Akon'ny taom-baovao
Fito maty, an-jatony naiditra hopitaly
Olona fito no indray namoy ny ainy tamin'ity fetin'ny faran'ny taona sy fitsenana ny taona vaovao ity. Saika avy tamin'ny fisotroan-toaka sy adiady avokoa izy ireo.
Fito ny isan'ireo olona namoy ny ainy ary 222 kosa (206 tao amin'ny Sampana vonjy taitra ary 16 tao amin'ny Sampana fitsaboana ny sakafo voapoizina) ireo olona nentina namonjy hopitaly teny amin' ny Hjra Ampefiloha, nandritra iny fanamarihana ny fetin'ny faran'ny taona iny.
Azo lazaina ho nilamina ihany izany raha niohatra tamin'ny fetin'ny krismasy teo, izay namoizan'aina olona betsaka tokoa satria nahatratra hatrany amin'ny 46 tany ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'iny, izay niompana manokana teo amin' ny sehatry ny lozam-pifamoivoizana. Saika avy tamin' ny fisotroan-toaka sy adiady madinika avokoa ireo famoizan'aina ireo.
Raha ny tamin'ity fetin'ny faran'ny taona ity manokana dia azo lazaina fa voafehy tokoa ny sehatry ny lozam-pifamoivoizana satria araka ny vaovao voaray teo anivon'ny zandarimariam-pirenena sy ny teny anivon' ny hopitaly Hjra Ampefiloha, dia tsy nisy firy ny lozam-pifamoivoizana nitera-doza.
Raha nisy tany amin'ny 206 tany mantsy ny isan'ireo olona nandalo tao amin' ny Sampana vonjy taitra tao amin'ny Hjra Ampefiloha, nandritra ny roa andro nanamarihana ny fetin'ny faran' ny taona iny sy nitsenana ny taona vaovao 2008, dia tsy nisy afa-tsy 43 monja ireo olona naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Fiara nifandona no saika nahatonga ny loza ary saika afaka nody avokoa ny ankamaroan'ireo naratra.
Ny fisotroan-toaka
Iray ihany no namoy aina dia ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Sabotsy Namehana, ny marainan' ny 1 janoary 2008, tokony ho tamin'ny iray ora maraina. Fiara iray mpitatitra mofo no niharan-doza tamin' izany raha nandalo tamin'iny lalam-pirenena fahatelo iny. Nivoaka ny lalana nisy azy ny fiara ary dia nifatratra tany amin'ny andrin-jiro. Teo amin'ny tandrifin'ny mpamily no tena nisehoan'ny dona ka maty tsy tra-drano tamin'izany ilay mpamilin'ny fiara.
Nisy teo amin'ny 44 teo kosa ny naratra vokatry ny adiady ka ny iray tamin'ireo no namoy ny ainy. Teny Mandroseza Ambodivoanjo no nitrangan'izany. Ny teny Ambohibao moa dia loza vokatry ny fianjerana no nahatonga ny fahafatesana teo amin'ity mpiambina olona ambony taloha ity.
Nisy teo amin'ny 16 teo kosa ireo olona narary naiditra tao amin'ny Sampana fitsaboana vokatry ny fihinanana sakafo voapoizina, tetsy amin'ny Hjra Ampefiloha. Ny 11 tamin'ireo dia saika narary vokatry ny fisotroan-toaka avokoa ka ny efatra tamin'ireo no namoy ny ainy. Nisy dimy ny nanandrana namono tena tamin'ny fanafody ary efatra kosa ireo nihinana poizina. Samy voavonjy avokoa moa ireto farany.




Itaosy
Jiolahy efatra saron'ny zandary
Saron'ny zandary avy eny amin'ny borigadin'Itaosy, ny alarobia 26 desambra 2007 teo, ireo jiolahy nanafika mpivarotra mpamongady teny Ambohidahy, kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alin'ny krismasy teo. Efa-dahy izy no indray voasambotra tamin'izany ka tratra teny amin'izy ireo ny basy PA iray 9 mm niaraka tamin'ny fahana tsy nisy bala. Raha ny fanazavan'izy ireo dia basy nampiasainy tamin'iny fanafihana iny ity basy ity.
Anisany tratra tamin' izany ny lehiben'izy ireo antsoina hoe Rasomotra. Izy no mpitarika ireo jiolahy sy mandamina ny paik'ady rehetra amin'ny fanafihana. Ireo sisa dia irakiraka sy mpanatanteraka fotsiny ihany.
Mpivady iray avy nivarotra ka andeha hody no notafihin'izy ireo tamin'io. Vao avy nanidy ny tsenany indrindra izy tamin'izay ary iny andeha hamonjy ny fiarany teo amoron-dalana iny no notemerin'ireto jiolahy tampoka. Ilay sakaosy teny an-tanan'ilay renim-pianakaviana, izay nisy vola 5 tapitrisa ariary, no novonjen'ireo jiolahy notsehana, niaraka tamin'ny fanambanana basy. Saingy nanohitra sy afa-niantso vonjy ilay rangahy vadiny. Ka poa toy izay ny fanenjehan'ny fokonolona.
Fanampian'ny fokonolona
Sarona tamin'iny andro iny ihany, na dia alina aza ny andro, ny iray tamin'ireo jiolahy ary nanomboka teo ny famotorana sy ny fikarohana ireo namany. Dia izao niafara tamin'ny fahatrarana azy efa-dahy izao.
Voalaza fa dimy lahy ry zalahy no tena nanafika an'ireto mpivady ireto tamin'iny fotoana iny. Saingy ny iray tsy mbola tratra.
Nanamarika ny zandary fa ankoatra ny ezaka nataon'izy ireo amin'ny fanaraha-maso sy ny fitsongoana dia ireo jiolahy, dia teo ihany koa, nahazoana izao vokatra izao, ny fanampian'ny fokonolona izay nanome ny vaovao. Koa manainga ny rehetra, araka izany, izy ireo mba tsy hisalasala fa hanome tanana avy hatrany sy hampandre an'ireo mpitandro ny filaminana raha vao misy olona maneho fihetsika mampiahiahy.




Ora-nikija
Tafakatra 96 ny isan'ireo traboina
Tafakatra hatrany amin' ny 96 amin'izao fotoana izao ny isan'ireo traboina raha ny eto amin'ny faritr'Antananarivo renivohitra manokana no resahina. Tsy mitsaha-mitombo ny tarehi-marika satria raha ny fanazavan'ireo olona voakasik'izany dia tsy ny hoe vokatry ny fahavakisan'ny fefiloha tamin'iny sisin'ny lakan-dranon'Andriantany iny ihany no nahatonga izao trangan-javatra izao fa noho ny firotsahan'ny orana betsaka. Iva toerana mantsy, raha ny fanazavan'ireo olona sasany, no misy ny trano fonenan'izy ireo ka dibo-drano tsy satry rehefa misesisesy loatra ny fihavian'ny orana. Iny faritr'i Manarintsoa atsinanana iny, Anatihazo ary Manarintsoa afovoany no fantatra fa ahitana ireo olona tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao.




Toamasina
Bala-na poleta 75 saron'ny polisy
Nanao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy, amin'ny fampandriana fahalemana tao an-drenivohitr'i Betsimisaraka, ny polisim-pirenena tato ho ato. Bala-na basy poleta miisa 75 indray mantsy no saron'ny polisy tao Toamasina, ny alatsinainy 31 desambra teo. Bala fampiasa amin' ireny basy fohika ireny izy ireo, raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana ary mahafaty olona tokoa, indrindra raha manakaiky.
Raim-pianakaviana iray tao an-toerana no nahatrarana an'ireto fitaovam-piadiana be dia be ireto. Izy mihitsy aza, raha ny fanazavana azo, no mpamatsy fitaovam-piadiana ireo jiolahy ao an-toerana sy amin' iny faritra iny.
Ar 2500 ny iray
Voalaza fa tonga hatraty an-drenivohitra aty ihany koa ny famatsiany izany fitaovam-piadiana izany ho an'ireo jiolahy. Tsy voafetra amin'ny bala fotsiny ihany izany, satria ireo aloha no sarona teny aminy, fa hatramin'ny basy ihany koa.
Mivarotra izany mihitsy izany ranamana ity. Raha ny bala manokana dia voalaza fa 2 500 ariary no ivarotany ny iray. Ary ireo bala be dia be tratra teny aminy ireo dia tsy latsaka izany mihitsy ny amarotany azy. Efa misy, araka izany mantsy, raha ny vaovao azo, ny olona mpandray ny entana.
Vela-pandrika nataon' ny polisy azy moa no voalaza fa nahasaronana an'ity raim-pianakaviana ity.
Raha ny fanazavana nomen'ny tompon'andraikitry ny polisy ao an-toerana dia karazam-bala mitovy amin'ity tratra teny amin'ity raim-pianakaviana ity no an'ireo mpivady tompon'ny tranombarotra tao Tanambao V, volana vitsy lasa.
Polisy nahatratra hatrany amin'ny 150 tany moa no indray nanara-maso ny fandriampahalemana tao an-drenivohitr'i Toamasina nandritra iny fetin'ny faran' ny taona sy fitsenana ny taona vaovao iny. Tao ny nanao fanamiana maha polisy azy, nisy kosa nanao fanamiana sivily. Saika henika azy ireo ny tanàna manontolo, indrindra fa ireo faritra be olona toy ny tsena.




Ambilobe
Tompon'andraikitry ny famorian-ketra notanana am-ponja
Tazonina ao amin'ny fonjan'Ambilobe amin'izao fotoana izao ny tompon' andraikitry ny sampandraharahan'ny famorian-ketra any Ambilobe. Voarohirohy tamin'ilay raharaha vaky trano nitranga tao amin'ity sampan-draharaha ity mantsy ny tenany, niaraka tamin'ny mpiasa iray teo ambany fitarihany. Rehefa natao ny fanolorana azy ny Fampanoavana tany an-toerana, taorian'ny fanadihadiana nataon'ny zandary, dia izao niafara tamin'ny fitanana am-ponja azy izao.
Vola be mitentina hatrany amin'ny 130 tapitrisa ariary tany mantsy no indray nanjavona tao amin'ity sampan-draharaham-panjakana ity ny zoma 21 desambra alina teo. Nisy namaky ny trano ary tao amin'ny biraon' ity tompon'andraikitra ity indrindra no novantanin'ireo jiolahy tamin'izany. Ka tamin'izay no nakàny ireo vola be notehirizina tao amin'ny birao.
Voalaza fa ny ampahany tamin'ireo vola ireo dia natao handoavana ny karaman'ny mpiasa any an-toerana. Mpiasa iray teo ambany fifehezany moa no indray nohadiahadiana voarohirohy niaraka taminy tamin' izao raharaha izao. Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpiasa.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Anosivavaka - Zaza latsaka tanaty rano. Adiny iray vao hitan'ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna ny fatin'ilay zazalahy kely dobo an-drano tao amin'ny lakan-dranon'Andriantany teny Anosivavaka Ambohimanarina, ny alatsinainy maraina teo. 7 taona eo ity zaza niharan-doza ity ary nilalao teny an-toerana izy no nahatonga ny loza.
Ora-nikija - Dibo-drano ny sekolin'Antanimbarinandriana. Ny alatsinainy teo no niasa nanadio ireo efitrano sekoly tao Antanimbarinandriana ireo mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna. Dibo-drano mantsy ity sekoly ity tamin'iny oram-batravatra, tamin'ny zoma hariva teo iny. Efa nisintona ny rano ka nodiovina ny fianarana.
Nangonin'i




Ambanivohitra, tany lavitra Antananarivo
Hoy NASOLO-VALIAVO Andriamihaja
Arahaba tratry ny taona na dia omaly tsy niova hatrany aza ny fiainana, indrindra eto amintsika.
Renivohi-paritra raha ny tanan'i Brickaville anefa dia aizina mikitroka no mitsena ny vahiny tratra hariva. Azo isaina amin'ny tanana ny toerana manana «groupe électrogène» handrosoana sakafo na hanomanana efitra handriana. Aza miresaka Internet izany akory na dia lazain'ny dokam-barotra aza fa tamin'ny mey 2007 no efa tafiditra amin'ny tambazotran'ny Backbone i Brickaville. Fa inona foana izany no ataon'ny olon'ety hatrizay ? Sa dia ny fanao efa hatramin'izay naha fiantsonan-dalamby azy, zato taona lasa izay ?
Fitsangatsanganana nanana ny lazany ihany koa Ambila Lemaitso tany amin'ny telopolo na efapolo taona lasa saingy dia tanàna mitsimpozipozy ankehitriny. Ny fiarandalamby rahateo koa moa mahalana sisa vao mandalo mitaona entana, ny gare zara tsy nirodana tanteraka tao anatin'izay roapolo taona nanadinoana azy izay. Fara faharatsiny, fony Ranavalona II nivahiny tany Fianarantsoa, 135 taona lasa izay, no efa nahafantatra ny tetezana ny teto Madagasikara.
Mahagaga anefa fa amin'izao taona 2008 izao dia mbola bac atosi-tanana ihany no mampifandray an'Ambila Lemaitso amin'izao tontolo izao. Rehefa tapa-kevitra ho any, dia aza maika satria rehefa afaka ny lalana 20 km mikotoantoana dia tsy maintsy miandry ny filaharana eo amin'ny bac. Ny adin'ny dimy nanaovana an'Antananarivo-Brickaville tanty ihany fa ny fiandrasana antsasak'adiny ny fikisahan'ny bac dia sorisory voalohany. Fa maninona ho'aho raha atao tahaka ny tetezan'i Brickaville io tetezan'Ambila io, ka samy afaka mandeha eo amboniny na fiara na fiarandalamby ?
Tsy ny rano, tsy ny rivotra no tsy misy amin'iny faritra atsinanana iny. Mahagaga hatrany anefa fa dia «groupe électrogène» no mbola manazava ny trano sasantsasany ora vitsy isan'andro. Io ony lehibe io Brickaville io (izay tsapan'ny Vazaha niaraka tamin'i Bricka ny antony rehetra afaka ampiasana azy) dia jerem-potsiny ka mahamenatra mihitsy ny mihevitra fotsiny hoe «centrale thermique» mandany solika no iankinanan'ny tanàna manontolo fa tsy herinaratra azo amin'ny rano na rivotra na masoandro.
Ny «délestage» ao Antananarivo no talaky maso sady mahabe resaka saingy any Ambanivohitra rehetra any dia miaina anaty aizina ny olona : ahoana moa no hiresahana «Demokrasia» na «Kolontsaina» na «Fanantontoloana» amin'ny olona tsy afaka mampiasa fahitalavitra na mitety tanety lava amin'ny Internet ?
Ho antsika avy an-tanan-dehibe dia fialan-tsasatra fotsiny - raha tsy hitanisa afa tsy ireo tanàna omban'ny Lalam-Pirenena Faharoa (RN2) - Mantasoa, Andasibe, Ambila, Manambato, Foulpointe na Vatomandry sy Mahanoro. Tsy dia mba toy izay loatra ny hevitro. Rariny raha manana lalana vita tara mitovy amin'ny olom-pirenena rehetra izy ; rariny raha mifanerasera amin'izao tontolo izao sahala amin'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany izy ; rariny raha tsy Ambanivohitra mandrakizay ny tanàna ipetrahany mandavan-taona.
Izany no vetsovetso apetrako ho an'ireo Ambanivohitra rehetra, tany lavitra an'Antananarivo-Renivohitra, amin'izao Taom-baovao izao. Ka enga anie, raha mierina ny taona, mba fitokanana zavatra vita no ho tanisaina etoana.




Faran'ny taona tany Montréal
Mahatratra 400 eo ho eo ny Malagasy eto Montréal.
Ny aty Canada manontolo dia mazava ho azy dia maherin'izany.
Mahazatra ny ankamaroan'ny Malagasy aty dia miara-mivavaka any amin'ny fiangonana Katolika ary avy eo dia miaraka indray any amin'ny fiangonana Protestanta.
Ny alin'ny 24 desambra ary dia tany amin'ny fiangonana katolika Notre Dame de la Salette no niara-niombombavaka. Ny 25 desambra nanomboka tamin' ny 4 ora kosa (fa amin'ny tolakandro ny fotoam-pivavahana Krismasy aty) dia tao amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Canada no nanatanterahana izany, ary fivavahana amin'ny Teny malagasy ranoray.
Hafa kely mihitsy ny fiaraha-monin'ny Malagasy aty Canada aty, fa na dia mifanalavitra be aza ny toerana onenan'ny tsirairay dia manitra fivahanana hatrany ny fifankahitana satria dia hipoka ny fiangonana, nanao fety ny ankizy (na dia tsy mahafehy tsara ny Teny Malagasy aza ireo ankizy dia nahay nihira sy nanao tsianjery amin'ny teny malagasy madiorano)... ary ny tena zava-dehibe dia samy mitondra sakafo iaraha-mihinana ny rehetra ka niaraha-nizara tamim-pifaliana izany.
Nandritra io fiaraha-misakafo io no niaka-tsehatra ireo izay te haneho ny talentany, ka nisongadina tamin'ireny ny fiantsana tononkalo sy ny fihirana ireny hira bà malagasy mahamanina ny tany niaviana ireny. Ary ny tenako moa (i Hajaina) dia nandray anjara tamin'ny fanentanana sy ny fikabariana (Jereo ny sary voalohany etsy ambany).
Ny alin'ny 31 desambra kosa dia tena niavaka ny teto Montréal. 400 mahery no isan'ny Malagasy tao. Tonga avokoa ny avy tany Québec, Trois Rivières, Ottawa izay notarihin' Andriamatoa Masoivohon' i Madagasikara aty canada SEM Horace Constant mivady, eny hatramin'ny avy any Washington aza dia tonga, izay nahitana an-dRamatoa Masoivoho solontenan'i Afrika ao amin' ny firenena mikambana Lila Hanitra Ratsifandrihamanana sy ny vadiny.
Nanafy haja izao lanonana izao ihany koa ny Masoivohon'i Madagasikara any Belzika.
Nitalakotrokotroka ny lanonana, ravo sy nandihy fatratra ny olona amin'ireo hira malagasy izay marihina fa dia manaraka tsara ny hira vaovao sy misongadina rehetra any Madagasikara any, ary dia mitoto- rebika ihany koa amin'ireo hira malaza sy tsy lefy laza eran-tany.
Nanafana ny fotoana mialohan'ny tena fanombohan'ny lanonana moa (talohan'ny tamin'ny folo latsaka folo tany ho any) ny avy amin'ireo faritra voatanisa teo aloha ireo dia ny Québec sy ny Ottawa ary ny teto Montréal mazava ho azy, fa mba anisan' ny nandray anjara tamin' ny fanentanana tamin'ny alalan'ny kabary ihany koa izaho izay manoratra
(i Hajaina), ka nankasitrahan'ny olona fatratra tamin'ny alalan'ny tehaka sy fifaliana izany rehetra izany.
Nanokatra ny fotoana tamin'ny alalan'ny Kabary ary Andriamatoa Masoivoho SEM Horace Constant (izay marihina fa tena nikabary tokoa, nampiasa ohabolana sy hain-teny maromaro), dia nandeha ny afindrafindrao sy ny dihy maromaro, ary rehefa taorian'ny misasak'alina dia nisy ny fisarihana nahazoana fanomezana.
Nofaranana tamin'ny fiarahana mihinana vary aman'anana sy saosisy ny lanonana ary samy naharitra mandra-pahatapitry ny korana avokoa ny rehetra.
Marihina fa ny mpikambana ao amin'ny RSM (Rencontre Sportive Malagasy) no nikarakara ity lanonana ity mba hoenti-manana amin'ny RSM 2008 amin'ny volana Jolay izao.
Hajaina
Montréal
01-1-08




Taorian'ny fety
Nangina ny tsena teto Antananarivo
Nangingina ny tsena sy ireo magazay lehibe teto an-drenivohitra, omaly. Nikatona avokoa ny ankamaroany.
Nangingina ny tsena teto an-drenivohitra, omaly. Na ny teny Andravoahangy, tsenan'alarobia aza, dia babangoana tsy toy ny andavan'andro. Nihahaka fotsiny ny talantalana fametrahana entam-barotra sy ny latabatra fivarotana. Nalalaka, araka izany, ny lalana satria tsy hita ireo mpivarotra midina mamelatr'entana eny amin'ny arabe.
Toy izany ihany koa ny teny amin'ireo magazay lehibe fivarotana fitafiana sy fitaovana elektronika isan-karazany izay saika nikatona avokoa. Nanomboka teny Behoririka amin'ireo fivarotana sinoa izany ka hatreny Tsaralalàna sy Analakely. Vitsy dia vitsy ny nanokatra ny fivarotany ary nanakatona ny tsena ny tolakandro ireo namoha izany ny maraina.
Fanomezana
Azo lazaina ho nifanaretsaka ihany anefa ny mpividy, na dia tsy marobe toy ny tamin'ireny andro fety ireny aza. Saika tany amin' ireo mpivarotra kojakoja madinika fanao fanomezana no tena nifanotohofan' izy ireny.
Tsy ny magazay na ny tsena isan-kerinandro ihany no nikatona, omaly, fa na dia ireo mpivarotr'enta-madinika sy ny trano fisakafoanana isan-karazany koa aza. Hany ka saika sahirana tamin'ny fitadiavana sakafo hohanina ireo mpiasa tsy afaka mody antoandro.
Raha ny fanazavan'ity mpiasan'ny tranombarotra iray teny Analakely moa, dia sady maka aina kely izy ireo no manao ny fanamarinana ny entana namidy nandritra iny andro fety iny. Saika niasa tsy nitsahatra mihitsy mantsy izy ireo tamin'ny faraparan'ny taona iny. Tsy haharitra ela anefa izany fitsaharana sy fanakatonana ny magazay izany, fa iray andro ihany. Ary dia hiverina hisokatra izy ireo, anio maraina.
Tsikaritra ihany koa ho nangingina ny fifamoivoizana. Vitsy ny fiara nifamezivezy ka nalalaka tsara ny arabe.




Analakely
Kesika sy vodi-sobika nahoron'ny kaominina
Nanomboka nanadio ny faritr'Analakely indray, omaly, ny eo anivon'ny kaominin' Antananarivo-renivohitra. Ankoatra ireo fanadiovana ny fako niavosa navelan'ny mpivarotra teny an-toerana mantsy, toy ny baoritra, ny «sachets» isan-karazany, ny hodi-boankazo ... dia nihetsika nandroaka ireo kesika sy vodi-sobika ary vato famelaran'ireo mpivarotra ny entany koa izy ireo. Polisy monisipaly niaraka tamin'ny mpiasan'ny tsena miisa 50 lahy no indray nanatanteraka izany.
Indroa nitaona izany teny an-toerana ny kamiao manga ben'ny fivondronana. Tsy afaka namelatra ny entany, araka izany, ireo mpivarotra amoron-dalana nikasa ny mbola hivarotra, fa tonga ny fivondronana nandraoka ireo kesika sy vodi-harona famelarany entana.
Nanazava Rafanomezantsoa Mamy, delegen'ny ben'ny tanàna avy ao amin' ny boriborin-tany voalohany, eny Soarano, fa tsy mahay manaja ny fahalalahana nomena azy ny olona. Nandritra iny fetin'ny Noely sy ny taombaovao iny mantsy dia saika fako zavon-tany hatrany no raofin'ireo mpiasan'ny tsena teny amin'iny faritra manodidina an'Analakely iny, ary saika ireo fatim-baoritra sy «sachets» fonon'entana avy amin'ireo mpivarotra no tena betsaka amin'izany. Manginy fotsiny ireny fatin-kesika sy vodi-sobika ireny. Avy ny orana ka avelany eny ireny dia mitady indray izy ny maraina.
Randrianarivoson Augustin, lehiben'ny tsenan'Analakely, moa, dia nilaza fa nanofa ireny kazarana sarety kely ireny mihitsy ny teo anivon'ny tsena mba hitaomana ireo fako teo Analakely. Dabam-pako valo no indray napetraka teny an-toerana nandraofana ny fako niavosa.




Ankazobe
Raim-pianakaviana nihinana poizina
Tsy tonga tany amin'ny hopitaly akory, fa teny an-dalana ihany, dia namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana iray nihinana poizina tany Ankazobe, ny alahady hariva teo. Ireny poizim-boalavo tanaty tavoahangy ireny no nohaniny, ka ny vavany naka ny loko mangan'ilay ranom-panafody no nahafantarana ny zavatra nateliny.
Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga an'ity raim-pianakaviana ity nanao izao fihetsika izao. Efa manambady izy, saingy tsy mbola niteraka. Voalaza fa ny tolakandro avy nisakafo izy no niala tao an-tranony ary nisotro ilay poizim-boalavo rehefa tafaverina avy tany amin'izay nalehany.
Niezaka namonjy azy ny fianakaviany, saingy tsy nahasakana azy. Nitolefika izy rehefa avy nisotro an' ilay fanafody ary fotoana fohy taorian'izay namoy ny ainy, raha nomena rano hosotroiny izay nangatahany.Voalaza fa mbola hitan'ny manodidina nanadio tokontany izy ny alahady maraina.




Manarintsoa
Mpitandro ny filaminana voarohirohy amina grenady
Mpitandro ny filaminana iray amin'izao fotoana izao no fantatra fa nanaovana fanadihadiana, satria voarohirohy amin'ny raharahana grenady saron'ny polisin'ny Groupe d'intervention rapide, teny Manarintsoa, ny alin'ny alatsinainy 31 desambra teo. Tao amin'ny trano fisotroana zava-pisotro misy alikaola iray no nahatrarana an'ity grenady «offensive» ity, ary lehilahy telo no nihazona izany.
Rehefa tonga ny polisy nisambotra azy telolahy, dia nilaza fa mpitandro ny filaminana iray, niaraka tamin' izy ireo tamin'io fotoana io ihany, no tompon'ilay fitaovam-piadiana. Ary dia izao nantsoina hanaovana fanadihadiana izao ity farany.
Tsy miasa eto an-drenivohitra fa any amin'ny faritra ambanivohitr'i Fianarantsoa ilay mpitandro ny filaminana . Nahazo andro tsy fiasana tamin'ny lehibeny izy ka niakatra taty an-drenivohitra nanao fety. Kanjo dia izao tratry ny tsy nampoizina izao.
Resaka fifamaliana tao amin'ilay toeram-pisotroana no nivoahan'ilay grenady. Tsikaritry ny tompon'ilay trano ilay izy ka tonga dia niantsoany polisy ary dia izao tratra izao.
Nanazava ny manamboninahitry ny polisy iray fa tsy tokony hanana alalana hitazona fitaovam-piadiana ny polisy iray, raha ivelan'ny andro tsy fiasana. Tsy maintsy ahazoany alalana hatrany avy amin'ny lehibeny kosa izany, raha toa ka tsy maintsy mihazona izany izy, noho ny andraikitra tanany .
Mbola mandeha moa ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao, ka ho hita eo ny tohiny.




Andavamamba
Nirefotra ny basin'ny polisy
Nirefotra indray ny basin'ny polisy, natao tifi-danitra, teny Andavamamba, ny zoma 28 desambra antoandro teo. Andian-jiolahy iray nikasa handroba entan'olona tanaty fiara no nenjehan'izy ireo tamin'izany. Ny sisa rehetra tafaporitsaka raha vao nahare ny basy nipoaka sy nahita ireo polisy nanenjika, fa ilay iray efa tafiditra tao anaty fiara no tsy nahetsika ka dia noraisim-potsiny.
Fiara 404 «bâchée» iray, feno entam-barotra mitentina dimy tapitrisa ariary, no handeha horobain'ireto andian-jiolahy ireto tamin'io fotoana io. Tazan'ireo jiolahy ny fivangongon'ny entana tao aoriana ka lasa nohenjehiny ilay fiara. Ilay fiara rahateo somary nandeha miadana raha vao niditra ilay lalana "pavé", tamin'iny faritr'Andavamamba iny, ka dia teo no noararaotin'ireto olon-dratsy.
Tsy fantatra aloha na efa nisy entana lasan'ireto jiolahy na tsia. Ny tetiny mantsy tamin'io, dia mamoaka ny entana ny iray efa tafiditra tao anaty fiara ary ireo sisa ety ivelany no mitanty azy. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ny iray tratra ary eo am-pikarohana ny namany ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.




Toamasina
Lehilahy iray kilan'ny afo
Lehilahy iray, antsoina hoe Randrianandrasana Bienvenue, no maty kilan'ny afo tao Toamasina, ny alin' ny 31 desambra teo, tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany tany ho any. Raha ny fanazavana azo dia afo vokatry ny solitany no nahatonga ny loza. Voadakan'ity lehilahy ity ilay afon-tsolitany tao aminy ka nianjera, ary tonga dia nandoro ny tao an-trano iray manontolo.
Ny mponina tety ivelany no nahita ny fijolofon'ny setroka nivoaka avy tao amin'ilay trano sy ny lelafo mena nidorehitra nazava avy tao anatiny ka niezaka ny namonjy. Efa nihanaka izaitsizy anefa ny afo ary dia may kila tao, tsy tra-bonjy intsony, ilay lehilahy. Efa tonga teny an-toerana nijery ny loza ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana.




Ankazobe
Tovolahy nidaroka ny dadatoany
Maty tsy tra-drano novelesin'ity tovolahy ny kobay ny dadatoany, tany Fiadanana-Ankazobe, ny herinandro lasa teo. Voalaza fa noho ny hatezerany tamin'ny fihetsika nataon'ity dadatoany ity taminy, no nahatonga azy ho nanao izany fihetsika izany.




Nosy Be
Fito mianaka avotry ny zandary
Avotry ny sambokely haingam-pandehan'ny zandarimariam-pirenena ireo fito mianaka nandeha botry tany Nosy Be, tatry ny andro ratsy.
Fito mianaka nandeha botry kely efa natopatopan'ny ranomasina, teo amin'ny manodidina ny 5 kilometatra miala ny moron-tsiraka, no indray navotan'ny sambokely haingam-pandeha « Faneva » an'ny « brigade nautique » an'ny zandarimariam-pirenena any Nosy Be, ny 29 desambra lasa teo. Sendra andro ratsy tampoka teny an-dranomasina mantsy ity botry kely ity ka tsy tody teny an-tseranana. Niantso vonjy izy ireo ka poa toy izay ny fiaingan'ny sambo kely haingam-pandehan'ny zandary nandeha teny an-dranomasina nanavotra ireto mpandeha.
Ankoatra ny lalàna iraisam-pirenena Solas (Save on life at the sea) amin'ny famonjena ny voina an-dranomasina, dia tafiditra indrindra koa ao anatin'ny andraikitra sahanin'ny zandarimariam-pirenena ny fiatrehana izany.
Fisorohana ahiahy
Ary izany indrindra no antony nametrahana ireo sambo kely haingam-pandeha any amin'ireo toerana samihafa fivezivezen'ny olona amin'ireo morontsiraka vitsivitsy eto Madagasikara, toy ny ao Sainte Marie, ahitàna ny sambokely haingam-pandeha « Masoivoho », ny ao Mahajanga nametrahana ny « Mahiratra », ny ao Morondava misy ny « Hasina » ary ny « Faneva » ao Nosy be.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny tompon'andraikitry ny seraseran'ny zandarimariam-pirenena, ny komandà Rakotonirina Lala, dia efa manana sambo kely haingam-pandeha 17 eo ny zandarimariam-pirenena amin'izao fotoana izao ka ny sivy amin'ireo no miasa any amin'ny morontsiraka mamonjy ireo rendrika an-dranomasina. Ny ambiny kosa miasa aty afovoan-tany amin'ny ranomamy any amin'ireo farihy lehibe samihafa. « Mbola ireo faritra avaratra andrefana aloha amin'izao fotoana izao no mahazo an'ity sambo haingam-pandeha ity, eo anivon'ny zandarimariam-pirenena, fa mbola ho avy ny any amin'iny ilany atsimo iny », hoy izy. Nosoritany fa tsy mifanitsaka amin'ny asan'ny tafika an-dranomasina ny asan'ny « brigade nautique »-ny zandarimaria satria tsy miasa, mamonjy voina, mihoatra ny 5 km miala amin'ny morontsiraka izy ary tsy manara-maso ihany koa ny fari-dranomasin'i Madagasikara.
Ny tanjona amin'izao ezaky ny zandary izao moa dia ny ahafahana mampiasa ny fari-dranomasina anatin'i Madagasikara ao anatin'ny filaminana tanteraka tsy misy ahiahy ary koa ny fanaraha-maso ireo izay mitady handika lalàna.




Antananarivo
Ho tapaka ny jiro sy ny ranon'ny Jirama
Hiaina amin'ny aizina sy ny tsy fisian-drano atsy ho atsy ny mponina eto amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Hanomboka hanapaka ny jiro sy ny ranon'ny kaominina ny eo anivon'ny orinasa Jirama noho ireo trosa be miavosa tsy voaloany.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny tompon'andraikitr'ity orinasa ity mantsy dia mahatratra hatrany amin'ny 1 481 000 000 ariary amin'izao fotoana izao ny trosan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra amin'ny orinasa Jirama. Any amin'ireo masoivohon'ny orinasa telo eto an-drenivohitra no nahafantarana izany toy ny eny Mahavoky, Besarety ary 67 ha. Misy hatrany amin'ny volana janoary 2006 izany ka hatramin'ny volana aogositra 2007 ho an'ireo masoivoho roa voalohany, ary mananika any amin'ny 44 volana any kosa izany ho an'ny eny amin'ny 67 ha.
« Toy ny mpanjifa rehetra ny kaominina ary efa nomena fe-potoana ela izy hikarakarany an'ireo faktiora be dia be ireo », hoy ny tale jeneraly lefitra momba ny herin'aratra eo anivon'ny orinasa Jirama, Dieu Donné Raoelijaona.
Tsy hita noanoa amin'izany ny fitadiavana rano any amin'ny iray kilometatra any sy ny filaharana. « Zary lasa ny mponina no atao sorona », hoy ireo vahoaka iharan'izany. Nosoritan'izy ireo mazava tsara anefa fa efa ho roa taona izao no nakàna vola 200 ariary isan-tokantrano isam-bolana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny rano.
Mikasika ity tarehin-javatra ity moa dia omaly tolakandro ihany dia efa nivory ny teo anivon'ny kaominin'Antananarivo notarihin'ny ben'ny tanàna vaovao, Andry Rajoelina.




Toamasina
Taim-bala niparitaka teny amin'ny arabe
Vola be mitentina hatrany amin'ny 30 tapitrisa ariary niaraka tamin'ny taratasim-bola maromaro, no indray norobain'ireo jiolahy teny amina mpivarotra ambongadiny iray (mpivarotra zava-pisotro misy alikaola) teny amin'ny Bazary Ambolomadinika, afak'omaly maraina, tokony ho tamin'ny 10 ora.
Jiolahy efatra nirongo basy ary nanao fanamiana maintso toy ireny an'ny mpitandro ny filaminana ireny no indray nanafika azy ireo tamin'izany. Nitifitra avy hatrany an'ireo tompon'ny fivarotana ireo jiolahy ka olona roa no indray naratra voatifitra tamin'izany. Ny iray voa teo amin'ny tanany ary ny faharoa kosa voa teo amin'ny hatony.
Raha ny vaovao azo avy tany an-toerana dia ny taim-bala hita teny amin'ny arabe, naparitak'ireo jiolahy, no nahafantarana ny basy nentiny. Indroa nanapoaka basy mantsy ireo jiolahy. Eo am-panaovana fanadihadiana fatratra ny amin'izany indrindra ireo mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.
Voalaza fa iny handeha hanatitra vola any amin'ny banky iny indrindra ireto mpivarotra ireto izao notafihin'ny jiolahy izao. Tsy nisy tratra moa ireo jiolahy na dia niezaka ny nanao ny fanenjehana sy ny fanakanana ny làlana rehetra tao an-tanàna aza ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana.




Antsiranana
Iray maty, telo naratry ny lozam-pifamoivoizana
Lehilahy iray no maty tsy tra-drano, ary telo hafa naratra mafy. Izay no vokatry ny fiantefan'ity fiara kely iray, Renault 19, teny amin'ny rindrin-tranon'olona tao Bazary kelin'Antsiranana, ny alin'ny 30 hifoha 31 desambra lasa teo.
Vokatry ny fandehanana mafy, raha ny vaovao azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, no nahatonga ny loza. Tsy voavilin'ilay mpanamory intsony ny familiana, ka nivoaka ny làlana ny fiara, ary tany an-tranon'olona no nifatratra.
Nirodana ilay trano ka potika toraka izany ihany koa ilay fiara.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Halatra - Omby roa maty novonoin'ny dahalo. Teny akaikin'ny fonjan'Ankazobe no nahitan'ny fokonolona ny lohan'ireo omby roa nangalarin'ny dahalo tao an-tampon-tanànan'Ankazobe ny faran'ny herinandro teo. Teny no namonoan'izy ireo azy. Omby nifatotra sy tao am-bala avokoa ireo omby nangalarin'ny dahalo ireo.
Ankerana - Fatin-jazarano hitan'ny fokonolona. Zazarano sahabo eo amin'ny fito volana an-kibo eo no hitan'ny fokonolona teny Ankerana, omaly tolakandro. Efa hary avokoa ny vatany manontolo, eny fa na hatramin'ny mahalahy na mahavavy azy aza. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy ao amin'ny polisim-pirenena ao amin'ny boriborin-tany fahavalo.
Nangonin'i




Asecna Madagascar :
Ilaina tokoa ve ny ambompo sa dia avonavona
Dia in-droa tsy tonga nivory isika malagasy na dia nahazo fanasana ara-dalana hatrany aza.
Ny Administrateur délegué tsy tonga tany Dakar. Ny misitry ny fitanterana tsy tonga tany Libreville.
Mahagaga satria dia tena miziriziry manana hambopo tokoa eny mety havonavona koa angamba.
Raha ny gestion ny FIR Antananarivo izay tena mampidi-bola ho antsika malagasy, raha ny kajy no natao anefa dia tsy dia azo antoka loatra ny mbola hitazonatsika azy satria ny Compagnies aériennes izay mpandoa vola sy ny OACI no tena afaka mandidy ny amin' izany na dia misy tokoa aza ny fiandrianam-pirenena.
I Comores, La Réunion (France) izay mpikambana ao anatin'ny Asecna dia azo antoka fa dia tsy maintsy hiara-hiasa aminy hatrany isika na dia mbola isika aza aloha hatramin' izao no mitantana io FIR io.
Marihina eto fa ao anatin'ny FIR Antananarivo ireto firenena ireto : Madagasikara, Comores, La Réunion ary Seychelles.
Raha ny vaovao heno dia efa manomboka sy mieritreritra ny fametrahana ireo fitaovana harifomba any amin ireo firenena roa (Comores sy La Réunion) ireo ny Asecna. Na i Maurice aza dia mety ho resy lahatra ihany koa ka hiaraka amin'ny Asecna.
Ireo Compagnies aériennes izay mpandoa vola dia ho sarotiny tokoa satria ny securité-ny no ilainy na ohatrinona vola aloany na ohatrinona ka izay hitany fa ahavita azy no tsy maintsy angatahany any amin' ny OACI ny hitantana ny FIR. Ary izay firenena haharaka ny hafainganam-pandehan'ny technologie rehetra no ilaina na dia tena lafo vidy aza izany. I Comores sy La Réunion na dia kely aza dia ny asecna no miandraikitra azy, ary amin'ny maha DOM an'i La Réunion dia France koa no mandray anjara betsaka.
Ny mpiasa mino nefa koa manahy ny ho aviny




Fahasalamana
17 nararin'ny sakafo voapoizina
Nisy 17 no isan'ireo olona niditra hopitaly teny amin'ny Hjra Ampefiloha vokatry ny fihinanana sakafo voapoizina. Aorian'ny fety vao nipoitra avokoa ny tsy fahasalamana rehetra.
Hatramin'ny fetin'ny faran'ny taona sy ny fetin'ny taombaovao no mankaty dia nahatratra 17 ny isan'ireo olona nararin'ny sakafo voapoizina ka notsaboina tao amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha, sampana fameloman'aina.
Nomarihin'ireo mpitsabo fa aorian'ny fety vao manomboka miditra tsikelikely ireo mararin'ny sakafo voapoizina. Nandritra iny andro fety iny mantsy, dia tsy nisy mihitsy ireo tratr'izany tsy fahasalamana izany tao amin'ity sampan-draharaha ity.
Amin'ny ankapobeny dia vokatry ny fihinanana « mayonnaise » no tena nahavoa ny ankamaroan'ireo olona ireo. Izany hoe vokatry ny tsy fitandremana teo amin'ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana.
Anisan'ny tratr'izany izao ity fianakaviana kely iray avy eny Anjanahary.
Fito mianaka izy no indray niditra teny amin'ny hopitaly ny 2 janoary teo ary, araka ny efa voalaza tery aloha, dia vokatry ny fihinanan'izy ireo sakafo nisy « mayonnaise » no fototra nankarary azy mianakavy. « Mety ho ratsy karakara, na nialona andro, na atodin-gana no nampiasainy tamin'ilay « mayonnaise », hoy ireo mpitsabo.
Toy izany ihany koa ny nanjo an'ity fianakaviana iray teny Anosizato atsinanana. Sakafo nialon'andro indray, izany hoe ambin-tsakafo tsy lany ny 1 janoary no nohanin'izy ireo ny 2 janoary. Dimy mianaka indray izy ireo no indray notsaboina teny amin'ny hopitaly.
Ny an'ireto dimy mianaka hafa kosa indray dia vokatry ny fihinanany gisa sy karazana « charcuterie », ary atody no nahavoa azy. Misy olona roa hafa koa, avy eny Andralanitra, nihinana sakafo tsy ara-pahasalamana.
Narary kibo sy nivalana, izany avokoa ny fisehon'ny aretin'izy rehetra. Noho ny traikefa sy ny fahaiza-manaon'ireo mpitsabo moa dia voavonjy, sitrana soa aman-tsara avokoa izy rehetra.




Itaosy
Raim-pianakaviana nihantona tao an-trano
Raim-pianakaviana iray, antsoina hoe Lalaina Eric, no maty nihantona tao an-tranony, afak'omaly alina tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Fehin-kibo tao an-tranony no nifatotra
teo amin'ny tendany izay nafatotra ihany koa tamin'ny tsivalan-kazo tamin'ny tafontrano.
Izy irery, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny mpitandro ny filaminana izay tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana, no tao an-tranony tamin'io fotoana io. Tsy fantatra mazava, araka izany, na namono tena izy na nisy namono.
Avy nivoaka tany ivelany izy tamin'io fotoana io, ary rehefa avy niresaka tamin'ny vadiny dia lasa nandray fandriana natory. Ny vadiny kosa, rehefa natory izy, lasa nandeha niantsena, ary izy nody avy any no nahita an-drangahy nihantona tao an-trano.
Hatairana, araka izany, ny azy raha vantany vao namoha ny varavarana izy. Niantso vonjy tamin'ny manodidina izy, nijery am-badiny, niantso ny mpitsabo sao mba misy aina kely azo novonjena. Nefa vatana efa tsy nisy aina intsony ny an'ilay lehilahy. Efa nangatsiaka be ny tenany manontolo.
Taorian'izay moa ny zandary no tonga teny an-toerana nanao ny fitsirihana ary misokatra, araka izany, ny fanadihadiana.




Toamasina
Lehilahy naratra voakaikitry ny alika
Lehilahy iray, mpanao gazety, no naratra nokaikerin'ny alika tao Toamasina, ny alin'ny alarobia lasa teo. Avy niasa, ary handeha hamonjy fodiana indrindra izy tamin'io no sendra an'ity alika iray mpirenireny teny amin'ny arabe. Tonga dia norambosany teo amin'ny tongony. Nandalo indrindra tamin'iny « cité nouvelle ville », akaikin'ny vondron'ny mpamono afo iny izy tamin'io fotoana io.
Naratra vokatr'izany izy, ary teo no ho eo ihany dia lasa namonjy toeram-pitsaboana.
Betsaka tokoa izay olona nitondra faisana tao Toamasina izay, noho ireny alika mirenireny ireny. Voalaza fa nisy mihitsy ny efa maty vokatr'izany, ny vola jona 2007 teo. Nisy olona roa hafa voan'ny haromontana, ary mbola maro ireo manaraka fitsaboana vokatr'izay kaikitry ny alika izay ihany.
Efa nanao fanentanana ihany ireo tompon'andraikitra tao Toamasina, ny amin'ny hanidina ireny alika ireny, tsy hirenireny sy ny hanaovana vakisiny azy. Saingy mbola betsaka ihany ireo mirenireny eny amin'ny lalam-bahoaka.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Sabotsy Namehana - Mpitaingina moto nodonin'ny fiara. Nipitika teny ambony moto ilay lehilahy nodonin'ny fiara mpitatitra teny Faravohitra avaratra, Sabotsy Namehana, ny alarobia maraina teo. Handeha hisongona an'ilay moto iny indrindra ilay mpamilin'ilay fiara mpitatitra, kanjo nifatratra teny amin'ilay moto. Nipitika ilay moto ary nipitika niaraka taminy ihany koa ilay lehilahy nitondra azy.
Antsalova - Avotry ny zandary ny omby 25. Natahotra ny tifitra nataon'ireo zandary azy ireo dahalo nangalatra ombin'olona tao Bezara, kaominin'i Bekopaka any amin'ny distrikan'Antsalova, ka naleony nitsoaka nandositra. Nilaozany teo ny omby 25 avy nangalariny. Zandary avy nanatanteraka asa tany Maintirano moa ireo nifanehatra tamin'ny dahalo ireo.
Nangonin'i




Antananarivo inona ?
NASOLO-VALIAVO Andriamihaja
Marina fa maditidity ny rivotra amorontsiraka saingy madio. Vao tonga etsy Ambohimahitsy dia mifangaro ny fofon'ny fakon' Andralanitra sy ny setroky ny fiaran'Antananarivo. Maimbomainbo izany ho'aho ny rivotra fohana eto an-dRenivohitr'i Gasikara...
Hahagaga ve izany raha fantatra, amin'ny gazety tsy dia fahita any «Ambanivohitra, tany lavitra Antananarivo» (1) any, fa fako aman-taonina no noraofina tetsy Analakely fotsiny rehefa vita ny danin'ny kibon'ny mpivarotra sy mpividy samy tsy misy manaja tena amin'ny fahalalahana nomena azy. Lova napetrak'Andrianampoinimerina ny tsena Zoma saingy noho ny korontana sy ny loto nampivarina azy ho «Fihaonana» dia voatery nofoanana teo Analakely izany tamin'ny andron-dRazanamasy ben'ny Tanàna.
Tsy ny Zoma anefa no fady fa ny olona no tsy mahay miaina. Dia mbola fanabeazana hafa indray koa no ho averina tanteraka amin'ireny karazan'olona ireny : tsara ihany kosa anefa raha misy fitaovana fara fahakeliny hamatsian'ny Fanjakana azy ireny toy izay misy any Andafy. Aoka izay ity «peta-toko» amin'ny fampiasana «moellon» raofina etsy sy eroa (indraindray aza amin'ny làlana vita pavé) ity ; aoka izay itony tsena tsy manara-penitra itony ka samy manao izay saim-pantany ; aoka izay ny varotra mifotetaka amin'ny tany ka ny hanina milahatra amin'ny diky.
Tsy eo intsony ny Zoman' Analakely saingy mbola azo tarafina amin'ny tsena etsy Mahamasina, isan'alakamisy, ny fatin-korontana taomin'ny posy, kalesy, sarety. Endriky ny maha firenena mbola an-dalam-pandrosoana antsika ireny zavatra heverina toa madinika ireny : olona mitrongy tokoa vao homana na dia azo an-tsaina aza fa tsy ampy ny hatsembohany mipatrapatraka mitari-posy mananika an'Ambohidahy; hani-masaka amin'ny fatapera etsy sy eroa anelanelan'ny lamba sy ny vata hazo; loto sy fako miavosa amin'ny hariva nefa tsy voadio raha tsy ny ampitso maraina... raha tsy hoe mivangongo andro maromaro toy ny teo Analakely; toeram-pivalanana tsy ampy ary fanariam-pako nantenain-ko hanirina ny loto kanjo manango-dali-manga; toerana teritery mampitakisikisina, lalan-kely tsy afa-petsapetsa, malotoloto lalandava, tsy ilaozam-pofompofona...
Tsy ny Zoma no fady fa ny olona no tsy mahay miaina. Azo velomina indray an-toeran-kafa sahaza ny lazany (ny Zoma, hono, no tsena ankalamanjana lehibe indrindra nanerana izao tontolo izao tamin'ny androny), tahaka izay efa nivezivezeny niainga teny Andohalo, nandalo teny Soanierana, niakatra Antaninarenina vao nanorim-ponenana enimpolo taona tetsy Analakely. Antananarivo tsy misy Zoma intsony, tsy misy Betsimitatatra intsony, tsy misy Rova intsony : Antananarivo inona, Antananarivo ho an'iza ?
(1) Mamalan-kira, 2 janoary 2008




Antananarivo
Tsy mandry ny tany noho ny hamaizinana
Manahy sahady ny amin'ny tsy fisian'ny fandriampahaleman'ny tanàna noho ny tsy fisian'ny jiro ary ny fahasahiranana amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro ny mponina eto an-drenivohitra.
Fitaintanana tsy misy ohatr'izany ny an'ny mponina eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao manoloana ny tsy fisian'ny jiro eny amin'ny arabe sy ny fahatapahan'ny rano. Hiditra hianatra mantsy izao ny mpianatra ary ny mpiasa ihany koa. Be ny niala sasatra nandritra iny fetin'ny faran'ny taona sy ny taombaovao iny toy ireo mpiasan'ny orinasa afakaba maro, ny fahavaratra koa etsy andaniny manampy trotraka.
« Ny eo amin'ny lafiny fandriampahalemana no tena atahorana. Vao mainka hanjaka ny asan-jiolahy isan-karazany amin'ny vonoan'olona sy ny fanendahana, ny fanolanana tsy ferana, satria maizina ny lalana », hoy R Benja, mpiasan'ny orinasa afakaba iray eto an-drenivohitra.
Nosoritany fa maro amin'ireo orinasa afakaba no mirava amin'ny 6 ora hariva ka hatramin'ny 7 ora rehefa maro ny asa. Ny fiandrasana fiara mpitatitra anefa amin'izany ifanosehana. Lany eo amin'ny filaharam-ben'ny fiara ny adiny iray mandrapahatonga any an-trano, indrindra raha avy ny orana.
Eny amin'iny faritr'Analakely iny aza, mbola misy jiro, misy ny mpanendaka mainka fa amin'ny toerana maizina. Raha ny vaovao voaray farany mantsy dia renim-pianakaviana iray, omaly hariva, no tratry ny mpanendaka teo Analakely. Lasany ny « gourmette », ny finday ... . Nihazo an'iny lalan'Ambatomena maizina iny izy ireo, rehefa nandositra ary nivadika tany Antsahavola. Soa fa nazava ny lalana teny amin'iny faritra iny noho ny fisian'ny masoivoho vahiny eo an-toerana ka dia tratr'ireo mpitandro ny filaminana niambina ny ambasady teo ireo jiolahy.
Tsy ho zaka
Ny an'ity renim-pianakaviana iray, R Chantal, monina eny Andavamamba, moa dia nosoritany fa mazava aza ny andro eny aminy manao ny ataony ny jiolahy. Mainka fa maizina. Ny eny amin'izy ireo moa dia maizin-kitroka efa andro maromaro izao ny arabe. Andrin-jiro iray amin'ny enina milahatra, no mba mirehitra indraindray.
Ankoatra ny fahamaizinan'ny alina dia olana iray ihany koa ny tsy fisian'ny rano. Ny renim-pianakaviana no tena mijaly amin'izy ity satria lany andro amin'ny fitadiavana rano ny fotoana. Ny sakafon'ny mpianatra sy ny mpiasa anefa etsy andaniny tsy maintsy karakaraina.
« Any amin'ny iray kilometatra any izahay vao mahita paompy mandeha. Amin'izay ny filarana lava be. Lany eo ny fotoana. Ny sasa lamba amin'izany tsy vita intsony raha tsy ny asabotsy », hoy ity renim-pianakaviana iray, R Julienne, monina eny Ambohimanarina. Nomarihany fa lasa anton-draharahan'ny iray trano manokana mihitsy, na kely na lehibe, ny fantsakana raha toa ka anjaran'ny ankizy fotsiny izany teo aloha.
Raha ho an'Ambohimanarina dia nanomboka tamin'ny krsimasy teo no niainan'ny mponina teny an-toerana ity tsy fisian'ny rano ity ankoatra ny tsy fisian'ny jiro eny amin'ny arabe. « Raha izao no mitohy dia tsy ho zaka mihitsy », hoy ireo mpantsaka maro be tamin'ny paompy iray teny an-toerana.




67 HA
Tranona kaomisera nisy namaky
Nobanahan'ny mpiasany sy ny sakaizany tao, ny fiandohan'ny taona teo ny tranon'ity kaomiseran'ny polisy iray, teny amin'ny 67 ha. Nafoy tamin'izany ny entana lafo vidy maro toy ny « Chaine Hifi », « table de mixage », « lecteur Dvd » ary fitafiana maromaro izay voalazan'ity manamboninahitry ny polisy ity fa ny azy irery ihany. Izany hoe ny fitafian-dehilahy lehibe irery ihany.
Ity mpiasa vavy ity irery no tao an-trano tamin'io fotoana io. Nasaina niandry trano mihitsy, satria ingahy kaomisera miasa any Ambalavao Fianarantsoa, ny vady aman-janany lasa nandeha tany Mahajanga niala sasatra no sady nankalaza ny fetin'ny krismasy sy ny taombaovao. Dia nanjakan-drakalakely tao ny trano. Ary nampandrosoiny hatramin'ny sakaizany.
Kanjo dia izao vaky izao. Izy indray avy eo, no mody lasa nampandre ny polisy tao amin'ny 67 ha, nametraka fitarainana sy nilaza ny fahaverezan'ny entana. Marihina anefa fa ireo entana lafo vidy ireo dia nohidina manokana tao anaty lalimoara daholo, nialoha ny nandehanan-dramatoa nanao vakansy mba tsy ho voakitikika. Ary izy sy ity mpiasany no niara-nampirina azy. Ny nahavariana anefa raha tonga ny mpangalatra, dia ny entana lafovidy hafa hita nipetraka tao an-trano, tsy nisy nokitihin'ireo jiolahy na iray aza fa izay nampirimina tao anaty lalimoara ihany no notsehany.
Nandeha ny famotorana ary niainga avy hatrany tany amin'ity mpiasa vavy. Dia voarohirohy tao ihany koa ilay sakaizany.




Foloalindahy
Nomen-toerana ny manamboninahitra tanora
Voatendry, ny asabotsy teo, nandritra ny fikan-kevitry ny minisitra natao tao amin'ny Lapam-panjakana tao Ambohitsirohitra, ireo mambra ao amin'ny kabinetran'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, misy ny minisitra Manoro Hanta.
Ekipa vaovao tanteraka avokoa, raha atao indray mijery, no sady tanora ireo olomboatendry ao anatin'izany kabinetran'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena izany. Izany hoe manodidina ny 44 ka hatramin'ny 55 taona eo. Efa nolazain'ny filoham-pirenena ombieny ombieny moa io fanomezana sehatra ny tanora io tamin'izy nanendry ny lehiben'ny etamazaoron'ny tafika, ary dia izao notohizany izao izany.
Nosoritany ihany tamin'ny lanonana fifampiarahaban'ny samy malagasy notanterahina teny Iavoloha ny zoma teo, raha nitodika manokana tamin'ny foloalindahy izy, fa hisy fiovana lehibe Ary endrika iray maneho izany izao fisafidianana ny mpitantana izao. Tsy midika ho fanilihana ireo be kintana maro anefa izany, satria misy ihany ny voatendry amin'izy ireny. Saingy samy manana ny hanitra ho azy io.. Napetraka eo anivon'ny foloalindahy rahateo hatramin'izay ny fanomezana fiofanana manaraka ny toetr'andro.




Ambohimanarina
Tovovavy tsy hita andro maromaro
Tsy hita nanomboka ny zoma antoandro teo tokony ho tamin'ny 11 ora, Ravaosolo Olga na i Bela (20 taona), monina eny Antanety avaratra Ambohimanarina,
lot IVI 108. Marihina, araka ny fanazavan'ny anadahiny, fa somary manana aretina izay izy. Mihinjitra eny an-dalana raha toa ka misy fihetseham-po mahazo azy.
Haka ranona granita hanaovana fanafody no nanirahana azy tamin'io fotoana io. Dia izao izy tsy niverina intsony izao. Voalazan'ny anadahiny fa mbola nisy nahita teny Antanety teny ihany izy ny folakandro. Nefa tsy niverina nody tao an-tranony.
Zipo mainty sy akanjo bà lava tanana ambony, mivolombatolalaka misy tsipika mena no nanaovany ary tsy nikiraro. Tso-bolo izy, zarazara hoditra. Koa miangavy ireo izay mahita azy ny fianakaviany, mba hiantso ny finday 032 45 495 93 na hanatitra azy ao amin'ny fokontany ao Antanety avaratra na eny amin'ny biraon'ny polisy eny Ambohimanarina.




Ankadilalana
Solosaina sy finday very
Solosaina iray niaraka tamin'ny finday roa teo akaikiny no indray very nisy nangalatra teny Ankadilalana, tao amina birao-na teratany vahiny iray, ny volana desambra 2007 lasa teo. Voalaza fa mirakitra antontan-taratasy sarobidy maro sy momba ny pasipaoro biometrika ity solosaina ity.
Sendra nivoaka kely ny birao fiasany indrindra ilay vazaha no nifaohan'ireo olon-dratsy an'ireo fitaovana sarobidy ireo.
Nandeha ny fikarohana nataon'ny polisy ka lehilahy iray, miaramila teo aloha, no voarohirohy ho nangalatra izany. Ny fampiasàny ny « puce »-n'ireo finday very no nahatrarana azy. Efa natolotra ny Fampanoavana teny Anosy ny lehilahy ary mbola naverina nohadihadiana indray ny zoma teo.




Andrefan'Ambohijanahary
Fanolanana hiakatra fitsarana
Hiakatra fitsarana rahampitso, ao Anosy, ny raharahan'ilay tovovavy kely 13 taona, nisy nanolana teny Andrefan'Ambohijanahary. Raim-pianakaviana mananika ny 45 taona eo, izay tsy hafa fa mpifanolo-bodorindrina aminy ihany, no voarohirohy amin'izany.
Simba tanteraka mihitsy, raha ny taratasin'ny mpitsabo, ilay zazavavy. Efa iray volana izay no nisehoan'ny herisetra tamin'ity zazavavy kely ity. Saingy tsy fantatry ny reniny raha tsy ny volana desambra teo. Izay izy vao namotopototra an-janany ka nitondra azy tany amin'ny mpitsabo nanamarina.
Ankona tokoa ny renin'ilay zazavavy teo am-pandrenesana ny fahasimban-janany ary nandraiky narary mihitsy.
Efa natolotra ny Fampanoavana moa ny raharaha ary nahazo fahafahana vonjimaika ilay raim-pianakaviana. Dia izao hiatrika ny fitsarana izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankadimbahoaka - Fatin-dehilahy tany amin'ny ranon'Ikopa. Nahitàna fatin-dehilahy indray tao amin'ny ranon'Ikopa teny amin'iny faritr'Ankadimbahoaka iny, omaly maraina. Hazo nitsivalana tamin'iny moron'ny renirano iny no nihazona ny razana tsy handeha. Tsy nahitàna ratra na faritra mangana, raha ny fijery azy avy tety ivelany.
Zandarimariam-Pirenena - Niova ny mpifehy. Ny « général de brigade » Raharijaona Lucien Emmanuel, indray no hitantanana ny komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena, nisolo ny jeneraly Ramananarivo Claude. Ny filan-kevitry ny ministra, natao ny asabotsy teo, no nanendry izany.
Vontovorona - Mirongatra ny vaky trano.
Tsy mandry andro tsy mandry alina ny mponina eny amin'iny faritr'i Vontovorona iny noho ny firongatry ny vaky trano mila ho isan'alina. Ny eny amin'ny tranon'ny mpianatra no tena anjakan'izany.
Nangonin'i




Famatsiana - Antananarivo
Hiverina handeha ny jiro sy rano
Nisinda ny tebiteby sy ny fahasahiranan'ny mponina eto an-drenivohitra amin'ny resaka jiro sy rano. Nisy ny vahaolana teo amin'ny orinasa Jirama sy ny kaominina.
Voavaha indray aloha ny olan'ny mponina amin'ny jiro sy ny rano. Nanazava mantsy ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina, tamin'ny tafa nataony tamin'ny mpanao gazety teny amin'ny birao fiasany teny Tsimbazaza, fa nisy ny fifampidinihana teo aminy sy ny tale jeneralin'ny orinasa Jirama, Bernhard Romhan. Nosoritany tamin'izany fa hiverina hirehitra ny jiro eny amin'ny arabe sy ny elakela-ntrano rehetra eny ary halefa ihany koa ny rano tapaka tamin'ireo biraon'ny kaominina na sekolim-panjakana na paompim-bahoaka izay tapaka nandritra ny herinandro teo.
Nomarihin'ity ben'ny tanànan'Antananarivo ity fa raha ny fanazavan'ny orinasa Jirama dia mahatratra eo amin'ny 3 miliara isan-taona eo ny trosan'ny Jirama amin'ny kaominina. Ka raha ao anatin'ny roa taona izany, ny taona 2006 sy 2007, dia mitontaly 6 miliara izany.
Fanaraha-maso
Rehefa nijery ny trosan'ny Jirama amin'ny kaominina kosa anefa ny mpiara-miasa amin'ny ben'ny tanàna dia nahatsikaritra fa hay koa ny orinasa Jirama ananan'ny kaominina vola. « Ananan'ny kaominin'Antananarivo 6 miliara ariary ihany koa ny Jirama amin'ireo karazan-ketra isan-karazany tokony aloany », hoy izy. Ohatra amin'izany ny faktiora aparitany any amin'ny mpanjifa. Misy hetra aloa amin'ireny, ny fametrahana ireny fotodrafitr'asa isan-karazany ireny ... Notsindriany fa mbola mety mihoatra noho ireo ny trosan'ny Jirama tokony aloany amin'ny kaominina.
« Efa misy ny fanaraha-maso sy ny fifampidiradiram-bola eo amin'ny roa tonta ka tsy maintsy ho fantatra ny tena marina momba ity trosa ity », hoy izy.
Niara-niaiky moa ny roa tonta fa manomboka amin'ity taona 2008 ity dia samy hanefa ny saram-pandaniany sy ny vola tokony haloany avokoa izy.
Nosoritan'ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina, manokana fa mikasika ireo jiro eny amin'ny arabe dia hitady ireo « ampoule » mitsitsy ny kaominina mba hampihenana ny jiro lany. « Ny tanjona dia ny hampihena izany any amin'ny 30 % any », hoy izy.
Nanamarika ihany koa tetsy ankilany ny eo anivon'ny orinasa Jirama fa hanao fanaraha-maso manokana ireo mangalatra jiro sy rano izay mety hiteraka fatiantoka ho an'ny orinasa na ny kaominina.




Antsiranana
Mpiambina nofatorana sy nosemporina
Nofatorana avokoa ny tongotra aman-tanany, notsentsenana ny vorodamba ny vavany sy orony mba tsy hahafahany miaina, ary naiditra tao anaty efitrano fidiovana izy. Izany no fomba nentina namonoana an'ity mpiambina trano fandraisam-bahiny iray tao an-drenivohitr'Antsiranana, ny alin'ny 2 hifoha 3 janoary lasa teo. Tena novonoina tamin'ny fomba feno habibiana tokoa izy satria tsy nahitàna ratra teny aminy na dia kely aza, ny fanemporana azy sy ny tsy famelàna azy hihetsika no nentina nanaperana ny ainy.
Mpiasa iray tao amin'ny hotely ny nahita ny razana nivalampatra somary niforitra tao anaty trano kely fidiovana tao ambany rihana. Nifanindran-dalana tamin'izay vaky ny magazay fitehirizam-barin'ny hotely ary very tao ny vary miisa 167 lasaka. Izany hoe, resaka halatra izany no namonoana an'ity mpiambina ity.
Nandeha ny fikarohana nataon'ny polisy tao an-toerana ka tsy olon-kafa no voarohirohy tamin'izany fa mpiambina naman'ity novonoina ity ihany. Tonga dia nibaboka teo anatrehan'ireo mpanao famotorana izy fa izy no tompon'antoka tamin'ny famonoana an'ity namany. Vao roa volana teo izay no voalaza fa niasan'ity farany tao amin'ity hotely ity ary natahoran'izy ireo tsy hiray tetika taminy, dia naleony novonoina.
Natoron'ity nahavanon-doza avokoa avy teo ny olona namarotany ny vary ary dia tratra tany amin'ny faritr'i Morafeno tokoa ireo vary 167 lasaka nangalarina. Voasaringotra tamin'ny raharaha ihany koa ny anabavin'ity mpiambina voarohirohy satria izy no voalaza fa nametrahana ny vola vidin'ny vary halatra. Tratra hatramin'ny mpamily sy ny mpibata entana aza nony farany.
Sivy mianadahy izy no indray saron'ny polisy tamin'ity raharaha ity ka ny telo tamin'ireo no notanan'ny Fampanoavana tany Antsiranana am-ponja, rehefa natolotra azy ny raharaha, fa ny sisa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa.




Loza
Vehivavy roa nararin'ny kaikitry ny biby kely
Renim-pianakaviana roa no indray naiditra hopitaly tao amin'ny sampana fameloman'aina teny amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha, ny asabotsy lasa teo noho ny kaikitry ny biby kely mandady nahazo azy. Ireny biby kely antsoina hoe hala menavody ireny no nahavoa azy ireo. Tamin'ny toerana samihafa avokoa izy roa vavy ireto no voa, ny iray teny Andrefan'Ambohijanahary ary ilay faharoa kosa teny an-tranony teto an-drenivohitra ihany.
Nitovy avokoa ny soritr'aretin'ireto renim-pianakaviana roa ireto. Samy nahatsiaro fanimpanina. Ny faritra nandadizan'ilay biby kely rahateo mena midorehitra no sady nangidihidy ary somary mafimafy raha notsapaina. Dia izay no nahatonga azy ireo nanatona hopitaly nitady fitsaboana. Zava-doza tokoa, raha ny fanazavan'ny mpitsabo tao amin'ity sampan-draharaha ity, ny dokotera Randria Rafenoherimanana, ny voakaikitr'ireny biby kely ireny. Tena mahafaty mihitsy raha tsy voatsabo haingana.
« Misy poizina mantsy izy ireny ary mitarika fivainganan'ny rà. Dia iny no miitatra miely amin'ny vatana. Miteraka ny atoditarimo avy eo. Manafika any amin'ny atidoha any izy raha poizina tena mahery ary mety hitarika ny fahafatesana », hoy ity mpitsabo ity.
Ny zavatra tokony hatao, fitsaboana maika raha voakaikitr'ireny biby kely ireny dia ny fanatahana haingana ny faritra voakaikitra. Potserina hivoaka ny rà ary diovina amin'ny alikaola na « bétadine » ny ratra avy eo.




Polisim-pirenena
Niova ny tale jeneralin'ny polisy
Nisesisesy tokoa ny fanendrena tompon'andraikitra eo anivon'ny minisitera isan-tokony tato ho ato. Ny contrôleur général de la police, Talbot Antonin, indray no voatendry ho tale jeneralin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny Filaminam-bahoaka. Izy izany no nisolo ny contrôleur général, Rahaingo Jacky.
Avy talen'ny fikaroham-baovao sy ny fanaraha-maso ny fivezivezena anatiny sy ivelany izy izao voatendry ho tale jeneralin'ny Filaminam-bahoaka izao. Andraikitra maro no efa notanan'ny contrôleur de la police Talbot Antonin teo anivon'ny polisim-pirenena, toy ny fisahanana ny lehiben'ny borigadin'ny polisy misahana ny heloka bevava eo Anosy ary talem-paritry ny polisim-pirenena tany Toamasina sy teto Antananarivo. Ary vao am-bolana vitsy no nitantanany ny fikaroham-baovao teo anivon'ny polisim-pirenena dia izao izy voatendry ho tale jeneralin'ny polisy izao.
Inoana fa hanome aina vao ho an'ny polisim-pirenena eo amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana izao fanendrena azy izao. Izay rahateo mantsy no notsipihin'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana raha nilaza ireo soritr'asa ho tanterahana izy tamin'ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona natao teny Iavoloha, ny zoma teo, dia ny hisian'ny filaminana tanteraka eo anivon'ny vahoaka ahafahan'izy ireo mamokatra izany.




Ambanidia
Zanaka mpitandro ny filaminana namaky trano
Notanana am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny Fampanoavana, ny herinandro teo, ilay tovolahy iray,
18 taona, tratra nangalatra tao amin'ny mpivarotra
enta-madinika iray teny Ambanidia, ny 4 janoary. Vola madinika eo amin'ny 100 000 ariary eo niaraka tamin'ny
finday tao am-pivarotana no nangalariny tamin'izany. Nataon'ilay mpivarotra tao anaty harona izy io ary natokany, saika hanaovana famerim-bola ny ampitso. Soa ihany fa efa voasaraka ny vola vaventy tombom-barotra fa raha tsy izany saika najifan'ity jiolahy ity tao.
Tsy ren'ireo tompon-trano mihitsy ny namakiany ny fivarotana sy nangalarany an'ireo vola ireo. Fa izy efa lasa nitsoaka nitondra ny harona nisy vola no ren'ilay mpivarotra. Izay vao nikoropaka niantso vonjy. Tsy lasa lavitra moa izy dia tratry ny fokonolona.
Raha ny fanazavana azo dia zanaka mpitandro ny filaminana ranamana. Efa matetika izy no manao an'ity hala-botry ny famakiana tranon'olona ity ary noho izay izy mpamerin-keloka izay no nahatonga ny Fampanoavana nanapaka ny fihazonana azy ho eny amin'ny fonjan'Antanimora.
Marihina fa ny androtry ny nanaovany hadalana io no tsingerin-taona nahaterahany. Dia efa eny am-ponja izany izy no manamarika ny fetin'ny nahaterahany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andravoahangy - « Docker » maty teo amoron-dalana. Lehilahy mpikarama mibata entana iray no maty nitsitra teo amoron-dalana teny Andravoahangy, omaly maraina. Tsy nahitana ratra teny aminy raha ny fijery azy avy tety ivelany. Tsy fantatra, araka izany, izay nahavoa azy.
Ankazobe - Eni-mianaka nasidin'ny fiara. Telo mianaka naratra mafy nasidin'ny fiara 4x4 nandehanany teny Manankazo Ankazobe, Pk 115,05 km tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, afak'omaly hariva. Asa izay nanjo an'ilay mpamily fa nivoaka ny làlana izy tany an-
tanety no nifatratra. Eni-mianaka izy no tao anaty fiara, avy tany Mahajanga, ka ireo telo mianaka hafa tsy naninona.
Zandarimariam-pirenena - Anio ny famindram-pahefana. Ho tanterahina anio maraina eny amin'ny Toby Ratsimandrava ny lanonana ara-miaramila amin'ny famindram-pahefana eo amin'ny komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena. Ny jeneraly Raharijaona Lucien, no voatendry hisolo toerana ny jeneraly Ramananarivo Claude.
Nangonin'i




Fanapahana ny jiro sy ny rano
Ny hevitra moa tera-bary ...
... ka anisan' izany ny fiangaviana ny mpitondra vaovaon' ny commune Antananarivo renivohitra mba hangataka fanampiana (na ampahiny fotsiny aza) eny amin'ny prezidansan'ny Repoblika , zay prezidansa efa nanome toky rahateo fa afaka manao izany raha nandray an 'Atoa Andry TGV ( ben' ny tanàna vaovao) ny filoha sady voateny teny Iavoloha rahateo zany , ka izany fanampiana angatahina izany dia tokony afaka mampihena ireo trosa be navelan' ny namany, akamany Tim tao amin'ny commune Antananarivo reni- vohitra; ohatra hoe angatahina mba hanome vola ny fanjakana foibe hanentsenana ny banga amin'ny resaka gas-oil sy indrindra fa ity resaka jiro sy rano n(h)otapahina ity, hita fa toa valifaty ankolaka no n(h)ataon'ny fitondrana Tim ho an'ny vahoaka an'Antananarivo.
Betsaka no milaza eto an-drenivohitra ary resy lahatra fa toa kendaina ankolaka tsy omena rano sy jiro satria tsy nifidy Tim Antananarivo renivohitra; ny ankoatra izay dia fampandriana adrisa daholo toy ny fanatambatambazana an' Antananarivo fa ho vitain' ny fanjakana foibe tanteraka ny tsenan' Ambohima- narina sy ny gara eny Anosizato, zay raha ny tokony ho izy sy ny fahamarinana no arahina dia tokony Atoa Andry TGV no hamita an' ireny fa ny fanjakana manampy fotsiny , satria asan'ny teo aloha ireny ka tsy maintsy tokony hotohizan' ny mpitondra vaovao zay mandimby.
Solo Rabe




Economie
Air Austral allume un contre-feu à Maurice
Gérard Ethève, président du directoire et directeur général d'Air Austral, est trop fin stratège pour dévoiler trop tôt ses plans de bataille. Mais de toute évidence, la compagnie réunionnaise se met en ordre de marche pour affronter dans un avenir proche la concurrence d'Air France sur le réseau régional au départ de Gillot.
La prise de participation à hauteur de 49 % dans le capital de la défunte Catovair s'inscrit dans cette perspective. Après les Antilles, Air France ne fait pas mystère de vouloir baser à la Réunion deux Airbus A 320 afin de développer son propre réseau régional. Seul le calendrier demande à être précisé.
Liaison inter-îles
Dans un avenir proche, deux réseaux régionaux rayonneront au départ de Gillot et sans doute de Pierrefonds, celui d'Air Austral et celui d'Air France. En prenant pied dans Catovair qui devrait être rebaptisée Air Mascareignes, la compagnie réunionnaise allume un contre-feu à Maurice. En effet, jusqu'à une date récente, une seule compagnie, Air Austral côté français, Air Mauritius, côté mauricien, était autorisée à assurer les liaisons inter-îles.
La nouvelle règle du jeu autorise deux compagnies de part et d'autre, Air Austral et Air France à la Réunion, Air Mauritius et Catovair à Maurice. Catovair dans laquelle la compagnie réunionnaise est maintenant actionnaire à hauteur de 49 %.
Si le scénario se déroule comme prévu, Air France aura à affronter côté français la concurrence d'Air Austral et côté mauricien celle d'Air Mauritius, et, celle franco mauricienne d'Air Mascareignes, ex-Catovair.
© Jir




Hopitaly Ravoahangy
Lehilahy tratra namaky fiara
Noraisim-potsiny tao anatin'ilay fiaran'olona novakiany, omaly, ny lehilahy lehibe iray. Ny tompon'ny fiara ihany no nahatazana azy avy teny amin'ny varavarankely.
Hatrany amin'ny hopitaly avy no hitan'ny jiolahy anaovana ny asa ratsiny. Tetsy amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona, omaly antoandro, no tratra ambodiomby ny lehilahy iray, manodidina ny 40 taona eo, namaky fiara 4x4 nipetraka teo amin'ny toerana natokana hijanonan'ny fiara.
«Efa tafiditra tao anaty fiara mihitsy izy no tratry ny tompony», hoy ireo nanatri-maso. Tsy fantatra mazava aloha izay tena notetehiny natao tao, na hangalatra ilay fiara mihitsy na hanongotra ireo kojakoja tao anatin'ilay fiara, fa tsy mbola nahakitika na inona na inona izy no azon'ny tompony.
In-12 tratra nangalatra
Tamin'ny fotoana fivoahan'ny hopitaly noho ny famangiana, iny indrindra, izy no niditra tao amin'ny hopitaly Ny mpamangy marary namonjy ny marariny, fa izy kosa nijerijery taratra izay fiara ho petahiny.
Avy nametraka ny fiarany ary haka ny marariny handeha hody ny tompon'ilay fiara 4x4 tamin'io. Soa ihany fa tao amin'ny sampana famonjena ainan'ireo nihinana sakafo voapoizina sy tratry ny fiakaran'ny tosi-drà no nandehanany, ka hita tsara teo amin'ny varavaran-kelin'ny hopitaly ny fametrahana fiara. «Tamin'izay no nahatazanany an'ilay mpangalatra tao anatin'ny fiarany. Tonga dia nivoaka izy ary nikiakiaka niantso vonjy», hoy ihany ireo nanatri-maso.
Nirohotra ny olona namonjy. Soa ihany fa tsy lavitra teo no nisy an'ireo mpiambina ny hopitaly niaro an'ilay mpangalatra, fa saika matin'ny olona teo izy, raha nisy kely foana. Na izany aza nisy ihany ny tsy nahatsindry fo ka nahadaroka azy. Fanalahidy karazany roa no indray hita teny amin'ity jiolahy ity nony nosavaina izy. Tamin'ireo no namakiany ny varavaran'ilay fiaran'olona.
Nentin'ireo mpiambina ny hopitaly teo no ho eo ihany izy, ka naterina tany amin'ny kaomisarian'ny polisy ao Mahamasina. Raha vao nahatazana azy ny polisy dia nilaza fa efa indroa ambin'ny folo izao ity lehilahy lehibe ity no nandalo tao amin'ny biraony. Ary dia tsy misy afa-tsy io famakiana fiaran'olona io sy fangalarana «auto-radio» io ihany no nahatraran'ny olona azy. Efa tsy laitran'ny balan'ny fananaran'ny fonja tokoa raha izany !




Fiadanana
Anidinan'ny fako ny biraon'ny zandary
«Fako isan-karazany, fatina «cellophane», fofona maimbo, lalitra ... Izany no iainanay ato amin'ny biraonay, noho ireo fako miavosa tsy misy mpandraoka eo akaikinay eo. Nefa ny biraonay toerana fivezivezen'ny olona, na vahiny na teratany malagasy izay man-draharaha ato aminay».
Izany no tenin'ny komandà Ramaroson Tahiana, lehiben'ny sampana fikarohana heloka bevava, eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Nosoritany fa efa tsy rariny intsony raha ny fiavosan'ireo fako eny amin' iny faritra manodidina azy iny. Hany ka rehefa mitsoka ny rivotra dia tonga eny am-baravaran'izy ireo ny loto avy amin'izany.
Samy feno fako miavosa avokoa, manomboka hatrany Tsimbazaza any, eo amin'ny toerana fanariam-pakon'ny «cité»-n'ireo manamboninahitra, tonga eo amin'ny toerana fanariam-pakon'ny «cité»-n'ny zandary ka hatreo amin'ny fanariam-pakon'ny miaramila sy ireo mponina eny amin'ny manodidina.
«Misy kamiao be mpaka fako mandalo ihany eto aminay. Tsy mbola misy na inona na inona izy mandalo eo . Sakanana nefa lalovany fotsiny izahay. Feno fako avy any ambadika any izy no miverina mandalo eto. Maniraka miaramila indray izahay miantso sy mampandre ny tompon'andraikitra, miantso an-tariby fa voarirarira ihany koa», hoy ihany ity tompon'andraikitra ity. Efa mitosaka eny amin'ny arabe mameno lalana, araka izany, ny fako amin'iny faritra iny. Nambarany fa efa hatramin'ny krismasy no mankaty ny fako eny amin' izy ireo no tsy nisy naka intsony. Koa manaitra ny sain'ireo tompon'andraikitra izy mba hijery akaiky ny zava-misy iainan'ireo zandary miasa ao amin'ity birao ity.




Entana halatra
Polisy natolotra ny Fampanoavana
Mitohy ihany ny fanadihadiana ataon'ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava momba ny raha fahaverezan'ilay solosainana teratany vahiny iray. Izany dia mirakitra antontan-taratasy maro sy pasipaoro biometrika niaraka tamin'ny findainy roa teny Ankadilalana, iray
volana lasa.
Ankoatra ilay lehilahy iray izay efa notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy ireo olona telo hafa nohadihadiana, dia nisy polisy iray ihany koa voarohirohy tamin'ity raharaha ity ka natolotra ny Fampanoavana omaly teny Anosy. Voatonontonina ho nandray an'ireo entana halatra ireo io mpitandro ny filaminana, ka nivarotra izany tamin'olon-kafa.
Olona mpanao afera teny Analakely no voalaza fa namarotany ny entana. Dia niampitampita toy izany teo ilay entana, satria ity olona namarotany azy ity indray koa avy eo lasa nivarotra azy tamin'olon-kafa.
Samy nohadihadian'ny polisy avokoa moa izy telo voarohirohy farany ireto. Nefa samy nilaza ary nanamafy fa tsy nahafantatra ny entana ho halatra velively.
Ilay polisy moa voalaza fa nivarotra ny entana 600 000 ariary tamin'ilay mpanao afera teny Analakely. Ity indray nivarotra azy ho 1 200 000 ariary tamin' olon-kafa. Nomen'ny tao amin'ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika avokoa moa izy ireo taorian'ny fakana am-bavany azy, omaly.




Mahazo
Tovovavy maty teo an-tokontanin'ny mpitsabo
Tsy mbola nojeren'ny mpitsabo akory, omaly teny Mahazo, dia maty nihinjitra teo an-tokontaniny ilay tovovavy kely iray, 17 taona. Nihanahana fotsiny ilay tovolahy nitondra azy tao amin'ilay dokotera. Ny maraina tokony ho tamin'ny 11 ora teo izy ireo no tonga tao amin'ilay mpitsabo. Saika haka fanafody no anton-diany. Nefa tsy tana ny ain'ilay tovovavy.
Nitsipatsipaka be izay ilay tovovavy teny an-dalana, raha ny fanazavan'ireo nahita. Karazam-panafody maro, ireny pilina ireny, no hita teny an-tanany nifono «sachet». Ary raha vao nahita an'iny ny olona dia lasa naka atody nampandoavina azy. Dia izay vao nitondra azy tao amin'ilay dokotera.
Ny sasany niantso an' ilay mpitsabo, ny sasany nibata azy. Kanjo tsy mbola nandray azy ilay mpitsabo fa vao namoha ny varavarany ka nahita ny fihetsiny dia niteny tamin'ireo nitondra azy fa tsy vita eo aminy ny fitsaboana an'ity tovovavy ity fa mila entina haingana any amin'ny hopitaly.
Tsy izay anefa no nitranga fa nandoa indray mandeha teo an-tokontanin'ilay mpitsabo ity nentina ary taorian'izay dia namoy ny ainy. Fofom-panafody fotsiny no ren'ny olona tamin'ilay loa navoakany.




Ankazobe
Mandripaka ny aretin'omby
Aretin'omby hafahafa no miseho mandripaka ny omby, ao an-tanànan' Ankazobe sy ny manodidina, amin'izao fotoana izao. Raha ny fanazavan'ny mponina avy any an-toerana dia toy ny manjonitra izany ilay omby. Tsy mahahinan-
kanina no sady malaindai-mihetsika. Tsy rototra ihany koa raha omen-kanina.
Taitra ireo tompon'omby ka lasa manatona ny veterinera mpitsabo biby. Zava-doza anefa fa raha vao tsindronina ilay omby dia maty.
«Omby efa ho enina izao no ripaka vokatr'ity aretina ity», hoy ireo tantsaha nampita ny vaovao. Anisan'ny fananan'ny olona no sady biby ilaina amin'ny asa, toy ny asa tanimbary sy ny fambolena isan-kazarany, anefa ny omby raha any amin'iny faritr'Ankazobe iny. Manana omby hatrany amin'ny 20 mahery any ny olona iray . Nefa dia tratr'ity aretina ity daholo. Toy ny areti-mifindra izy io, raha ny fanazavan'ireo fokonolona.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zandarimariam-pirenena - Vita ny famindran'asa. Fomba fiasa vaovao, fomba fisainana vaovao ny zandarimariam-pirenena. Ny jeneraly Raharijaona, komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena vaovao, no nanambara izany, omaly, nandritra ny lanonana famindran'asa teo aminy sy Ramananarivo Claude, komandy ny zandary teo aloha. Nosoritany fa vaindohan-draharaha ny fanentanana ny hery rehetra voakasiky ny fandriampahalemana any ambanivohitra.
Maevatanàna - Telo mianaka novonoin'ny dahalo. Tsy mitsitsy ain'olona mihitsy ny dahalo amin'iny faritra afovoany andrefana iny. Tao amin'ny distrikan'i Maevatanàna, tao Andriba, ny 6 janoary teo, dia olona telo mianaka, ny rainy sy ny reniny ary ny zanany lahy 24 taona, no indray namoy ny ainy novonoin'ny dahalo. Dahalo telo no nanafika tamin'io ary omby efatra no nangalariny tamin'izany.
Ambohimalaza - Taribin'jiron'ny jirama nisy nangalatra. Taribin-jiron'ny Jirama, mirefy eo amin'ny 150 metatra eo no indray naripaky ny mpangalatra tamin'iny faritr'Ankazobe iny, afak'omaly alina. Tokantranon'olona maro amin'iny faritra iny indray, araka izany, no indray mitankizina tsy misy jiro.
Bealanana - Lehilahy iray namoy ny ainy. Be noho ny vitsy ity lehilahy iray niady tamin'ireo tovolahy roa tao Bealanana, ka namoy ny ainy. Efa niala-nenina tany amin'ny hopitaly ihany izy taorian'ny nahavoazany. Saingy tsy tana ny ainy. Izy roalahy nahavanon-doza kosa moa efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana.
Manarintsoa - Tovovavy namono tena tamin'ny «nivaquine». Tsy tonga tany amin'ny hopitaly akory dia namoy ny ainy ilay tovovavy iray namono tena tamin'ny fihinanana «nivaquine». Teny Manarintsoa-Isotry ny nisehoan'izany, omaly. Nahitàna faritra kiaka kely koa teo amin'ny tendany.
Nangonin'i




Transport maritime
La réforme structurelle dans quatre ports piétine
Le gouvernement tarde à accoucher du décret relatif à la création des sociétés portuaires à gestion autonome, à Antsiranana, Mahajanga, Nosy Be et Toliara. L a réforme devrait démarrer en 2007.
2008 sera peut-être la bonne année pour achever la réforme portuaire. Quatre ports d'intérêts nationaux attendent aujourd'hui le début de la réforme structurelle, qui aurait dû démarrer en 2007. Il s'agit de ceux de Nosy Be, d'Antsiranana, de Toliara et de Mahajanga.
Le conseil des ministres tarde à promulguer le texte portant création des Société portuaires à gestion autonome, qui y assureront le rôle des Autorités portuaires.
Selon la dernière information fournie par Jérôme Sambalis, directeur général de l'Agence portuaire, maritime et fluviale (Apmf), des retouches doivent être apportées au texte avant sa publication.
« Les modifications font suite aux expériences acquises dans la réforme du port de Toamasina », explique-t-il.
Trafic réduit
La création de l'Apmf, en 2005, a marqué le démarrage de la réforme du secteur portuaire. L'agence rattachée au minstère des Transports devient l'organe chargé de conduire les changements structurels dans les principaux ports avec un principe : confier les activités de services à des opérateurs privés tandis que l'administration portuaire a surtout un rôle régalien.
Le port de Toamasina a été choisi comme « pilote » du fait de sa particularité d'être le plus grand port du pays et la réforme y est, aujourd'hui, complètement terminée.
La Société portuaire à gestion autonome de Toamasina est entrée en fonction en 2006 tandis que la gestion du terminal à conteneurs est confiée à une société d'origine philippine, l'Ictsi.
Concernant les autres ports d'intérêts nationaux, la situation semble se présenter différemment.
Avec un volume de trafic assez réduit, la formule appliquée au port de Toamasina, qui accueille plus de 60% du trafic maritime du pays, semble inadaptée. La question de rentabilité bloque le processus et diminue l'intérêt du secteur privé dans la gestion de ces infrastructures.




Fanamarihana, soso-kevitra, tosan-kevitra
Ireto indray misy fanamarihana , tosan-kevitra sy soso-kevitra ho anareo, ho an'ny mpitondra ny tananan' Antananarivo renivohitra ary ny fanjakana foibe ihany koa :
1) Hafatra maika ho an'ny commune Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana mihintsy : mila fanamboarana maika dia maika lay tehezan-tendrombohitra eo ambanin' ny tranon'ny Jirama Ambohijatovo avaratra mipaka aty Ambohijatovo akaikin'ilay toerana nisy lay tsangam-bato naorin'ny frantsay narodana iny; satria hita mantsy fa efa mihalehibe reo lavaka nokaohin'ny riaka ka atahorana daholo ny hianjeran'ireo trano eo Ambohijatovo avaratra ireo; efa nisy firontsahan'ny tany mantsy teo amin'io toerana io tamin'ny 26 desambra teo ka nahatapaka ny lalana ; koa miangavy ny tompon' andraikitra mahefa rehetra hanao ny adidiny maika dia maika.
2) Resaka «panneau publicitaire» marobe an' ny orinasa Tiko eo amin'ny kianjaben'i Mahamasina : tokony hisy fanadihadiana momba azy ireo satria lay izy moa lazaina foana hoe efa nisy fifanarahana natao taloha tamin'ny filohan'ny Repoblika nitantana ny commune; zany hoe tokony hadihadiana raha nandoa vola ho an'ny commune isan-taona ny orinasa Tiko, ka ohatrinona zany vola izany ? na koa hoe rehefa manofa ny kianja ve ny Federasiona malagasin' ny baolina kitra sy ny Ligy na ny Seksiona sy reo fikambanana marobe mampiasa ny kianja dia mahazo vola avy amin'ny orinasa Tiko ve izy ireny ? sa nandoa vola ho an'ny Tiko ankolaka izy ireny ? tsy fantatry ny vahoaka mazava ny tena marina ka tsara hazavaina hoe iza no tokony mandoa ary mankaiza ny vola tamin'zany ? Ary tena ara-dalàna ve zany teti-bidin'ny vola naloa izany ? Fa toa mifangaro mantsy ny fitantanana ny «commune» sy ny orinasan'ny mpitondran' zany commune izany taloha ; raha toa moa efa nandoa vola ny Tiko ka nifanandrify amin'ny tokony ho izy dia arahaba soa , arahaba tsara fa raha tsy izany kosa dia aoka mba havoaka ny marina ; ary manipy hevitra kely amin'ny mpitondra vaovaon'ny tanànan' Antananarivo renivohitra mba tsy ho azon'ny fakam-panahy hanao fitaovana ny «commune» ka hanome vahana ny orinasan'ny tena manokana, aoka haseho mandrakariva lay teny filamatra hoe : fitantanana mangarahara no tarigetra.
3) Fampivondronana ben'ny tanàna eny Iavoloha: ny tsaratsara amin' izy io (toy zany koa ny sefom-pokontany) dia tokony any amin'ireo faritra 22 isanisany na farafaharatsiny isaky ny faritany 6 taloha no anaovana azy io satria ho moramora ny fampitana hevitra amin 'zany ; ary na sekretera jeneralin'ny minisitera vitsivitsy no mampiofana dia efa mety fa tsy dia ilaina minisitra na filoha loatra; satria mantsy tato ho ato zay dia toa lasa propagandy fanasohasoana fitondrana lay izy, ary matetika dia misy fifidianana miseho foana volana vitsy aorian'ny fampifiofanana toy ireny.
M. Solo




Manjakandriana
Raikitra ny fanadiovana tanàna
Olona roa no indray matin'ny aretina pesta tao Manjakandriana ary misy marary iray tsaboina any amin'ny hopitaly. Mafotaka, araka izany, ny asa fanadiovana any an-toerana.
Nilatsaka ny baiko, tsy maintsy manadio ny tanànany avokoa. Taorian'ny fahafahantarana fa ny fisian'ny aretina pesta, no nahatonga izany ho an'ny mponina ao Manjakandriana iray vohitra. Fokontany 24 ao anatin'ity distrika ity no indray nentanina tsy maintsy miatrika izany, raha ny fanazavana azo teny an-toerana, omaly. Nambaran'ny sefo kartie, Alexis Solofonirina, fa mbola misy amin'ireo mponina ihany no somary mialangalana amin'ity asa fanadiovana ity.
Ao amin'ny fokontanin'i Manakasinkely, izay anisan'ny toerana nahitàna olona matin'izany aretina pesta izany, no isehoan'izany, « Tsy hoe fahakamoana kosa no antony fa noho ny tahotra amin'ilay aretina », hoy izy.
Loto betsaka
Nambaran'ity sefo kartie ity mantsy, taorian'ny fisian'ny olona maty tao amin'ity fokontany ity, fa misy mihitsy ireo olona nahavatra nifindra toerana, nandao ny trano fonenany. Indrindra fa ireo nifanolo-bodirindrina tamin'ilay trano nisy maty. Ary eo no somary olana amin'ny fanadiovana atao. Misy anefa ny olona tena manao izany amin-kitsipo.
Raha ny loto ao amin'ity faritr'i Manjakandriana ity, raha ny fanazavan'ireo mponina ao an-toerana, dia betsaka tokoa. Ohatra iray amin'ireny, notanisain'ny mponina ny amin'ilay lakan-dranon'Imady mandalo amin'iny faritra iny.
« Tena maloto dia maloto tokoa izy io satria ao avokoa no mivarina ireo maloton'ny olona isan-tokantrano rehetra. Hany ka manjaka ao ny voalavo izay mitondra ny aretina », hoy izy ireo. Koa niantso ny kaominina, araka izany, izy ireo mba handray andraikitra amin'io lakan-drano io.
Olona roa moa no indray efa namoy ny ainy tamin'ity pesta ity tao Manjakandriana ary mbola misy marary iray hafa tsaboina any amin'ny hopitaly. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny ben'ny tanàna ao an-toerana, Eva Robert Ravaloriaka, sy ny depiote Rahantasoa Lidya.




Tanjombato
Polisy vavy maty tao an-tranony
Zendana avokoa, omaly alina, ireo mponina teny amin'iny faritr'i Tanjombato iny, raha nahita ny fahafatesan'ity polisy vavy iray « agent de police », antsoina hoe Lanto tao an-
tranony. Hafahafa mantsy ny fahafatesany, tsy fantatra mazava na namono tena izy na nahinana poizina tsy nahy, na voapoizina ihany koa.
Nivoaka faforatra fotsifotsy izany ny vavany ary rehefa nanao ny fikarohana tao an-tranony ireo polisy namany dia nahita tapaka mofomamy iray « cake » avy nihinanana sy tavoahangy kely iray efa nivaha izay nandrenesana fofona mahery vaika.
Ny alina tokony ho tamin'ny sivy ora, raha ny fanazavan'ireo mponina teny amin'ny manodidina, mbola nisy nahita naka rano tamin'ny vovo izy. Nipaika ny tamin'ny 10 ora alina, nisy niantso ny fianakaviany nipetraka teo akaikiny
fa marary izy.
Kanjo rehefa nandeha tany ireo dia niverina nody namonjy ny tranony fa mety toa niafana kely ny fanaviany. Rehefa afaka kelikely indray anefa dia nisy namoha indray fa
hoe marary mafy izy. Nentina namonjy fitsaboana teny Tongarivo izy taorian'izay ary teny am-piverenana avy tany izy no namoy ny ainy.
Fitiliana
Raha ny fanazavan'ireo manodidina ihany, satria sarotra dia sarotra ny naka ny vaovao teny an-toerana, dia somary nihetsika krizy izany izy tao anatin'io aretiny io.
Mbola nisy nahita ihany koa mantsy izy nanao hazakazaka kely teo an-tokotaniny, sady nitomany. Noezahin'ireo mpifanolo-bodirindrina taminy nomena rano mangatsiaka izy tamin'izay. Nefa voalaza fa nakifiny, tsy nety nisotro ilay rano izy ary very tamin'ny tany fotsiny izany.
Mipetra-drery ary mbola mpitovo ity polisy vavy ity. Vao avy nivoaka tamin'ny andiany Manda farany teo izy.
Efa nentin'ireo polisy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana moa ilay ambi-mofo sy ilay tavoahangy kely hita tao an-tranony, anaovana fitiliana.




Vonoan'olona
Vehivavy tratra teo am-panariana ny zanany
Tsy tahotra tsy henatra mihitsy ity renim-pianakaviana iray nanary ny zanany menavava tany anaty tatatra, afak'omaly tolakandro. Andro antoandro be nanahary izao no nanaovany izany ka betsaka ireo nahita. Nihoraka ny fokonolona ary tonga dia nanakana an'ity renim-pianakaviana no sady nitondra azy tany amin'ny biraon'ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy.
Avy amin'ireny fianakaviana tena sahirana ireny ity renim-pianakaviana ity ka somary naherihery fihetsika ihany izy raha nosakanana sy nosamborin'ireo fokonolona.
Eny fa hatrany amin'ny biraon'ny polisy sy teo amin'ny famotorana natao azy aza.Zanany lahy kely telo taona eo no niaraka taminy tamin'io.
Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana ao Anosy.




Fisolokiana
Tovolahy iray nahazo vola 5 tapitrisa ariary
Tovolahy iray no nosarangotin'ireo tanora am-polony ary nateriny teny amin'ny biraon'ny polisy, afak'omaly. Nambaran'ireto olona voafitany fa nisoloky tamin'ny resaka asa ity tovolahy ity ary naka vola taminy. Nefa rehefa nandeha ny andro sy ny fotoana, tsy hita akory izay asa nampanantenainy.
Vola eo amin'ny manodidina ny 20 000 ariary eo no voalaza fa notakian'ity tovolahy ity tamin'izy ireo. Vola bebe ihany izany no efa azon-dranamana satria manodidina ny 14 any ny isan'ireo mpitory azy.
Tetik'asa goavana iray eo anivon'ny minisiteran'ny Fambolena any amin'iny faritr'i Melaky iny no nampanantenain'ity tovolahy ity an'ireto olona ireto.
Nantsoina tamin'ny findainy izy tamin'ny fotoana nomeny an'ireto olona ireto, ny alatsinainy. Nefa nilaza fa tsy afaka. Hany herin'ireo voafitaka nandeha nankahatratra azy teny an-tranony ary dia noraisim-potsiny tao izy.
Nanazava moa ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ity minisitera ity fa amin'ireny tetik'asa ilàna fampidirana mpiasa ireny, dia tsy misy mihitsy ny olona mpanelanelana na dia mpiasa ao aza amin'ny minisitera aza. Tsy maintsy amin'ny alalan'ny tolotr'asa (appel d'offres) ihany, izay aely amin'ny gazety sy ny fampielezam-peo, no ahafahana mandray mpiasa.
Efa eo am-pelatanan'ny manam-pahefana moa ny raharaha amin'izao fotoana izao.




Soavimasoandro
Rangahy voarohirohy ho nanolana zazalahy
Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ity raim-pianakaviana iray izay voarohirohy ho nanolana zazalahikely, 14 taona, teny Soavimasoandro. Tamin'ny fifamaliany tamin'ity tovolahy ity no nipoiran'ny resaka. Nanambara mantsy ity zazalahy fa nokasain-drangahy haolana izy. Ka izany no nampisy ny ady teo aminy sy ilay raim-pianakaviana.
Tezitra ny ray aman-drenin-drazazalahy raha vao nandre izany ka tonga dia nametraka ny fitarainany tany amin'ny manam-pahefana. Natao ihany koa ny fitiliana ilay zaza tany amin'ny mpitsabo. Ka voalaza tamin'izany fa simba tokoa ilay zaza. Ary dia io raim-pianakaviana io no notondroiny ho nanao herisetra taminy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andranovaky - Tovolahy natelin'Ikopa.
Maty tsy tra-drano ilay tovolahy 24 taona, nilentika tao amin'ny reniranon'Ikopa teny Andranovaky, kaominin'i Fiombonana, afak'omaly. Voalaza fa tsy nanana saran-dalana izy ka lasa nilomano. Kanjo iny izy dia tsy
nipoitra intsony.
Polisim-pirenena - Hanao ny famindran'asa ny tale jeneralin'ny polisy. Tanterahina izao maraina izao eny amin'ny minisiteran'ny Filaminam-bahoaka eny Anosy ny lanonana famindran'asa eo anivon'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena, ny contrôleur général, Talbot Antonin,
sy ny contrôleur général, Rahaingo Jacky.
Nangonin'i




Polisim-pirenena
Voasazy izay rehetra mandika lalàna
Tsy hilefitra amin'ireo polisy mandika lalàna ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena vaovao. Efa eo am-pelatanany ny antontan-taratasy marobe mirakitra izany.
«Ohatra ny olon-drehetra ny miaramila mihoa-pefy, ka ampiharina aminy ny lalàna ! » Izany no tenin'ny "contrôleur général" Talbot Antonin, tale jeneralin'ny polisy vaovao, omaly, tamin'ny lanonana famindran'asa teo aminy sy ny tale jeneraly teo aloha.
Nosoritany fa tsy azo leferina mihitsy ny tarehin-javatra toy ireny. Hentitra izy niteny izany ary nambarany fa marobe tokoa raha ny antontan-taratasy mikasika an'ireo polisy mandika lalàna ireo. « Efa eo ampelatanako avokoa izany », hoy izy.
Tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna tokoa mantsy, tato ho ato, ny fihetsik'ireo polisy sasany izay zary lasa nanampy isa ny jiolahy, na niray tsikombakomba toy ny fanomezana fanamiana, famatsiana basy, eny fa hatramin'ny famonoan'olona. Misy mihitsy aza ny tena mandray anjara mivantana amin'ny fanafihana. Mbola ao ihany koa ny fandraisana entana halatra ...
Dia toy saonjo iray lohasaha tokoa ka tsy ilaozan'izay mamarara.
Miasa amin-kitsim-po
Na izany aza anefa, misy dia misy koa ny polisy tena miasa amin-kitsi-po. Mamoy ny ainy mihitsy aza noho ny famongorana ny asan-jiolahy. Ary ireo no tena mampalahelo satria lasa maloto noho ny afitsok'ireo mihoa-pefy. Tonga amin'ilay fitenenana hoe ny kary no manao ny ataony ka ny saka avy no voatapa-drambo.
Mikasika ny fandriampahalemana, dia nosoritan'ny "contrôleur général" Talbot Antonin fa efa misy ny paik'ady vaovao apetraka, iatrehana izany. Saingy nomarihiny fa mijanona ho tsiambaratelo izany. «Mizara roa ny asa sahanina dia ny fisorohana sy ny fanasaziana», hoy izy.
Nanatitra ny tenany, teo am-pamaranana, fa hiezaka hanao ny tsaratsara kokoa ho voninahitry ny polisim-pirenena.





Anosy
Roalahy tratra nanendaka tao anaty fiara
« Aza mihetsika ialahy isany. Ianareo no nangalatra ny findaiko ! ». Izany no tabataban'ity tovolahy iray very finday tao anaty fiara mpitatitra iray teny Anosy, ny alatsinainy teo. Sady nitabataba izy no nihazona ny iray tamin'ireo mpanendaka tao anaty fiara. Nanampy azy ihany koa ny mpandeha sasany teo ka tsy namelan'ny olona tao anatin'ilay fiara raha tsy voasava ny paosin'izy roalahy.
Inona tokoa fa dia iny ilay findain'ity tovolahy hita tao anatiy paosin'ilay iray. Teo no ho eo ihany, na dia vao niakatra ilay fiara aza ilay tovolahy, dia nidina ilay fiara ary lasa nitondra an'ireto jiolahy tany amin'ny polisy tao amin'ny boriborintany faha-5. Tratra ambodiomby teo izy roalahy.
Iny niakatra ny fiara iny ka namonjy seza ilay tovolahy no mody nadalain'ireto jiolahy. « Misy zavatra lasataka io », hoy izy ireo taminy. Dia somary nihemotra kely ilay tovolahy, sady niondrika nijery ny tany ambany seza. Kanjo izy niondrika iny, tsy tratra fa efa voasakan-dry zalahy ny paosiny ary nalainy tao ilay finday.
Rehefa tsy nahita na inona na inona ilay tovolahy dia lasa niverina namonjy ny toerany ary izy andeha hipetraka iny indrindra no nitsapa an'ilay findainy. Zendana teo izy fa paosy foana tao. Teo akaikiny anefa tsaroany tsy nisy olona afa-tsy izy roalahy ireto ary izay no nahatonga ny ahiahiny mivantana tany amin'ireo roalahy. Hay tokoa tena mpangalatra ireto nahiahiany.
Ny alarobia teo izy roalahy no natolotra ny Fampanoavana ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.




Foloalindahy
Atsangana ny Filan-kevitra momba ny fiarovana
Hajoro eo anivon'ny foloalindahy ny antsoina hoe Filan-kevitra nasionaly momba ny fiarovana. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Manorohanta Cécilia, no nanambara izany, omaly, tamin'ny lanonana fifampiarahabana tratry ny asaramanitra, notontosain'ny fianakaviam-ben'ny foloalindahy teny amin'ny Cercle mess eny Soanierana.
Eo ambany fiadidian'ny filohan'ny Repoblika izy ity noho izy filoha faratampon'ny foloalindahy ary ao anatin'izany filan-kevitra nasionaly izany no handinihana ny paik'ady entina hiatrehana ny asan'ny fandriampahalemana, ny fanavaozan-damina isan-karazany...
Azo lazaina, araka izany, fa rafitra ambony eo anivon'ny misiteran'ny Fiarom-pirenena ity Filan-kevitra nasionaly momba ny fiarovana ity.
Tamin'ny fomba ofisialy ihany koa no nanambaran'ny minisitra Manorohanta Cécilia fa tsy hisy aloha ny fandraisana ho zandary. « Kely dia kely ny teti-bola natokana ho an'ny foloalindahy ka izay eo am-pelatanana no iasana », hoy izy.
Na izany aza dia nosoritany fa tsy hitarai-tana-miempaka amin'izany ny foloalindahy fa tsy maintsy hiezaka hanatanteraka ny andraikiny ary ny teny ifanomezana amin'izany dia ny fametrahana ny fandriampahalemana azo antoka hanatanterahana ny Map, ny fiarovana ny sisin-tany sy ny sisin-dranomasina, ny fanajana ny fitsipi-pifehezana.
« Ny hampitomboana ny harin-karena hatrany amin'ny 8 % no tanjona, koa tsy maintsy hisy ny fiovana hiatrehana izany afahan'ny tantsaha mamokatra », hoy izy.




Ambohimanambola
Mpanarato maty an-drano
Teo am-pitadiavana trondro horatoina tamin'iny reniranon'Ambohimanambola iny, afak'omaly, no dobo an-drano ity tovolahy mpanarato iray, 20 taona. Tsy afa-po teo amin'ilay faritra nandehanany izy ka lasa niampita sampanan-drano iray tamin'ilay renirano. Kanjo sendra ny lavaka tao anaty rano izy ka nilentika tao. Ary tsy nipoitra intsony.
Tsy hitan'ireo namany izay natao fa dia niantso vonjy tamin'ireo manodidina. Nisy nikaroka ihany ny razana saingy tsy hita. Ary ny mpamonjy voina avy taty an-drenivohitra mihitsy no nantsoina nikaroka azy.
Tsy nisy 10 minitra akory ny nitakarohan'ireo mpamonjy voina azy tao anaty rano dia hita ny fatin'ilay mpanarato. Teo no ho eo ihany ny razana dia natolotra ny fianakaviany, rehefa avy nanaovan'ny zandary fizahana.




Andakana Ambohidratrimo
Paraky gasy 90 lasaka tratra
Noraisim-potsiny teny Andakana ity miaramila manamboninahitra iray, tratra nitondra paraky gasy 90 lasaka, tsy nisy taratasy.
Miaramila manamboninahitra iray, omaly, no tratry ny
zandary teny Andakana Ambohidratrimo nitondra paraky gasy tsy nisy taratasy. Paraky nahatratra 90 lasaka no indray nentiny tamina kamiao, hakarina eto an-drenivohitra. Izy sy ny mpamily ihany no tao anatin'ity kamiao ity, ary tamin'ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa izy no tompon'ny entana.
Milanja 35 kilao eo ny iray lasaka amin'ireto paraky gasy ireo. Izany hoe raha atambatra izany dia manododina ny 3,15 taonina no indray nentiny.
Avy any Andramy Maevatanana, raha ny fanazavana azo,
no nakany azy ireto. Ary mpandraharaha iray eto an-drenivohitra mpanodina izany no notetehiny hivarotana azy.
Navoitran'ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny orinasam-panjakana Ofmata fa tafiditra ao anatin'ny vokatra voafetra sy saro-pady ny paraky gasy. Tsy misy afa-tsy ny fanjakana irery ihany, amin'ny alalan'ny Ofmata, no afa-mivarotra azy ireny, eny fa na dia ny fambolena azy koa aza. Ny orinasa mpanodina azy, araka izany, dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny fanjakana ihany koa. Mba ho fitsinjovana ny famokarana ara-pahasalamana, noho izy vokatra saro-pady, no anton'izany rehetra izany.
Mahatratra hatrany amin'ny 40 000 any moa ny isan'ireo mpamboly paraky voasoratra ara-dalàna eo anivon'ny Ofmata amin'izao fotoana izao. Fandoavan-damandy no sazin'izay tratra mandika ny lalàna momba itony paraky
gasy itony.




Ambohidroa
4x4 nivadika nandratra olona
Tovovavy iray, mpiasan'orinasa afakaba eny Andranomena, no naratra mafy nofaohin'ny fiara 4x4 avy afara teny Ambohidroa, omaly maraina tokony ho tamin'ny 7 ora. Avy aty Ambodimita ilay fiara, ary raha iny handeha hidi-piolahana iny izy no tonga dia nanitsy nivoaka ny lalana. Nofaohiny ilay tovovavy - izay naratra vokatr'izany -, ary nifatratra tany anaty tatatra izy vao nivadika teo afovoan'arabe.
Simba, araka izany, ilay fiara 4x4. Ilay mpamiliny kosa mba tsy naninona satria narovan'ilay ceinture de sécurité nanaovany. Na izany na tsy izany, nihitsoka tao anaty fiara tao izy. Voatery novakiana mihitsy ny fitaratra teo akaikiny namoahana azy.
« Niasa saina loatra aho ka tsy voaviliko intsony ny fiara », hoy ilay mpamily. Nambarany mantsy fa maty niteraka tamin'iny maraina iny ny vadiny. Ilay zaza ihany koa tsy azo. Ka izay no tsy nampilamina ny sainy. Mpiasan'olona ihany koa izy, ary mba nomen'ny lehibeny hanatanterahany ny fivezivezena amin'io fahoriana misy ao aminy io ilay fiara. Nefa dia izao izy niharan-doza izao.
Kamiao ben'ny orinasa iray eto an-drenivohitra moa no nanarina ilay fiara sy nitarika azy niala teo an-toerana.




Polisim-pirenena
Tsy hisy fandoavam-bola hafa intsony
« Tsy hisy intsony ny fandoavam-bola hafa eo anivon'ny polisim-pirenena. » Nosoritan'ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rasolofomanana Désiré, izany, omaly teny Ivato, raha nanontaniana mikasika ny alahelon'ireo polisy (fitakiana mihitsy aza raha ny tena marina) amin'ny fanampin-karamany tsy mbola voaloa tamin'ny fotoana nivoahan'ny sata manokana ho an'ny polisy tamin'ny taona 2003.
« Ny antony dia efa nisy ny fifanarahana nataon'ny mpitondra teo aloha, andaniny ny minisiteran'ny Vola, ankilany ny tao amin'ny polisim-pirenena, momba azy io », hoy Rasolofomanana Désiré. Notsindriany fa efa nohazavaina tamin'ny polisy izany, koa tsy tokony hisy intsony ny fikorontanan-tsaina. « Miaina ao anatin'ny demokrasia isika. Misy ny fitohizan'ny asam-panjakana. Koa ny fiatrehana ny asa aman'andraikitra, ny adidy amin'ny vahoaka, no atrehina », hoy izy namarana ny volany.
Marihina fa notanterahina teny Ivato, tao amin'ny sekoly ambonin'ny polisim-pirenena, tamin'io fotoana io ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny samy tale jeneralin'ny polisim-pirenena, ny vaovao, Talbot Antonin, sy ny teo aloha, Rahaingo Jacky Sambany moa teo amin'ny tantaran'ny polisim-pirenena no nisian'izany.




Fandriampahalemana
Fifampitifirana teny Ampefiloha
Nifampitana tamin'ny jiolahy roa afa-nandositra ny zandary sy ny polisy, ny asabotsy teo, tetsy Ampefiloha. Kalaza amin'ny fanafihana mitam-basy izy ireo.
Notairin'ny poa-basy indray, ny asabotsy maraina vao mangiran-dratsy, ny mponina teo Ampefiloha, akaikin'ny
baravy. Nifanjevo teo mantsy ny zandary sy ny polisy ary ireo jiolahy. Jiolahy roa mpanao fanafihana sy kalaza amin'ny fangalarana fiara 4x4 no nifampitàna sy nohenjehina teny an-toerana. Teo mantsy no voalaza fa toerana nifamotoanan'ireto jiolahy ireto tamin'izay, araka ny vaovao voarain'ireo mpitandro ny filaminana, ary dia notratrarina teny.
Tsy araka izay tifitra variraraka izay anefa ny zava-nisy, fa tafaporitsaka izy roalahy. Ary dia niala maina teo ireto mpanenjika iray fiara.
Na tsy namokatra aza ny asan'ireo mpitandro ny filaminana teto dia tsy nijanona teo izy ireo, fa lasa namonjy an'Anosibe sy Itaosy avy hatrany. Mbola ireo jiolahy iray tarika tamin'ireto roa nohenjehina teny Ampefiloha ihany no notratrarina tamin'ireo toerana roa ireo.
Nisy kosa ny vokatra teto satria jiolahy dimy be izao no indray sarona avy hatrany. Natao sarika am-pandriana vao maraina ary indray nitontonana tany amin'ny trano niereny
tsirairay avy.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny mpitandro ny filaminana dia andian-jiolahy anisany matanjaka tokoa raha ity mpanao fanafihana sy mpangalatra fiara 4x4 ity. Nalaza mihitsy izy io tato ho ato, raha tsy hilaza ny teny Itaosy sy teny Anjeva fotsiny, ny faramparan'ny taona teo. Mpivarotra maromaro mihitsy no indray ravan'izy ireo tamin'izany. Afa-tsy ny naratra voatifitra.
Saika henika azy ireo raha ny eto an-drenivohitra. Efa nisy ihany koa aza ny tany amin'ny faritany, toy ny tany Toamasina.
Voalaza fa naborak'ireto olona voasambotra ireto fa i Lama sy izany Rafeno izany no lehibeny, tamin'ny fanadihadiana natao taminy. Mihetsika any ho any indray izany i Lama amin'izao fotoana izao, raha tsy dia henoheno firy tao ho ao.




Ankazobe
Mpandroaka omby maty voatifitra
Rotiky ny bala ny kibo sy ny tratran'ireto roalahy nandroaka omby tao Talatan'Angavo, tamin'iny faritr'Ankazobe iny. Sady mbola niampy tombo-defona ihany koa aza izany. Ny asabotsy teo no nisehoan' izany.
Omby roa no noroasin' izy roalahy ireto, raha ny fanazavan'ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga. Lehilahy roa ihany koa no nitifitra azy ireo. Nohenjehin' ireto farany izy roalahy nandroaka omby ary rehefa tratrany teo Talatan' Angavo dia notifiriny. Nalain'izy roalahy nony avy eo ny omby ary dia iny izy no lasa niverina. Izy roalahy voalohany nandroaka ny omby kosa maty nitsitra teo.
Tsy fantatra mihitsy na tena tompon'omby ireto roalahy nanenjika na sanatria olon-dratsy mpangalatr'omby. Ny nahalasa ny sain'ireo nahita mantsy dia ny fahasahian'izy ireo nitifitra sy nitora-defona azy roalahy nandroaka ny omby. Tsy nisambotra azy akory na nitondra azy tany amin' ny zandary.
Toy izany ihany koa ireo roalahy nandroaka ny omby. Tsy hay ihany koa izy ireo na dahalo na mpikarama nandroaka omby. Fa dia tratran'ireo mpanenjika izy aloha ary dia ny ainy tokoa no nanefa. Efa eo am-pelatanan'ny zandary ny raharaha ary mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao. Voalaza fa nisy ombin'olona folo very tao amin'ny kaominin'i Mahatsinjo tamin' io fotoana io.




Fahasalamana
Tanjona ny fiterahana ieren-doza
Tanjon'ny minisitera mpiahy amin'izao fotoana izao ny «fahasalamana ieren-doza». Ao anatin'izany ny eo amin'ny fiterahana. Raha ny fanazavan'ny mpampivelona iray, Razafimalala Verotiana Mamiarisoa, miasa eo anivon'ny fikambanan' ny orinasa maromaro eto Antananarivo, dia samy nomena izany toro-marika izany avokoa ireo mpampivelona rehetra ao aminy. Tsy mampiteraka izy ireo fa mamporisika kosa ny vehivavy bevohoka, na mpiasa na vadin'ny mpiasa, hanatona hopitaly.
«Mba hitsinjovana ny ain'ny reny sy ny zaza no antony. Any amin'ny hopitaly rahateo no misy ny fitaovana rehetra sy ampy ilaina amin'ny fiterahana, hoy izy. Izany no handrisihana ny reny bevohoka hamonjy ny toeram-pitsaboana.»
Sarobidy loatra mantsy ny fiterahana ary indraindray amin'ny fotoana tsy ampoizina no isehoan'ny fahasarotana, indrindra ho an'ny reny misy aretina, toy ny tsimok'aretina Vih. Eo indrindra ny ilàna ny fanaovana fitiliana samihafa mandritra ny fitondràna vohoka.
Na izany na tsy izany anefa dia manao ny asan' izy ireo ara-dalàna amin'ny maha-mpampivelona azy izy ireo. Mampisafo sy manara-maso ny fahasalaman'ireo reny bevohoka tonga ao aminy, mampanao fitiliana ny karazan'aretina, mijery ny fitombony sy ny fahasalaman'ny zaza ao am-bohoka, saingy tsy mampiteraka.
Fandraisana an-tanana
Nosoritany fa tsy sarotra ho an'ny mpampivelona sy ny mpitsabo ao amin'ny hopitaly ny mandray an'ireo reny bevohoka tonga hiteraka satria misy - ary izay no antony ilàna azy - ilay karne kely fizaham-pahasalamany nifandraisan'ilay reny bevohoka tamin'izay mpampivelona nampisafo azy mandritra ny fotoana nitondrany vohoka.
Mbola eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza aorian'ny fahaterahany mandritra ny enina herinandro, toy ny fanomezana azy ny «vitamine A». Nomarihany ihany koa fa tsy natao hanimba velively ny asan' ireo mpampivelona manana toeram-piterahana manokana, ny famporisihina ny vehivavy bevohoka hanantona hopitaly.




Besarety
Zazakely 8 volana nokaikerin'ny alika
Tsy mahatsiaro tena amin'izao fotoana izao ilay zazakely 8 volana, Ranaivoson Miangoty, nokaikerin'ny alika teny Besarety, ny asabotsy antoandro teo. Voa mafy tokoa mantsy izy satria dia-nifin'alika telo be izao no indray hita eo amin' ny lohany. Ary ankoatr' ireo anankiroa dia nahazo teo amin'ny tandrifin'ilay loha maleminy ny dia-nify iray. Nifantsitsitra teo no ho eo ny ràny ary namonto an' iny arabe teo amin'ny sisin-dalana teny Besarety iny.
Alika be, nentin'ny tovolahy tompony, nandalo no nanaikitra ilay zaza. « Mbola mandady io zaza io ary efa mananika ny avo. Fanaony, satria amoron-dalana ny tranonay, ny mitazatazana eo amin'ny varavaram-be eo. Asiana hazo fisaka mitsivalana hatreo amin'ny tratrany eo hahafahany
mitsangana dia eo izy. Kanjo izao tra-doza izao », hoy ireo fianakaviany. Tsy voasakan'ilay tovolahy nitondra azy ilay alika.
Nambaran'izy ireo fa efa lasa nandalo an'ilay zaza ilay biby be nentin'ity tovolahy ity vao niverina kely indray ary tonga dia nanaikitra ny lohan'ilay zaza. Nikiakiaka mafy ilay zaza ka ny mpandalo sy ilay polisy nandamina ny fifamoivoizana tsy lavitra teo amin'ny tranon'izy ireo no nihazakazaka namonjy.
Ilàna famahamailoana tsara ihany ny fitondràna alika eny an-dalambe. Tokony hisy fehivava mba tsy hampidi-doza ny olona. Na dia tsara baiko aza mantsy izy, amin'ny maha biby azy, mety tsy ho voafehy ihany. Olombelona aza tratry ny fakam-panahy !




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Iavoloha - Kamiao mpitondra tany nivadika. Teo an-tokontanin'olona teny Mandrimena-Iavoloha, no nivarina ilay kamiao be mpitaona tany, ny asabotsy tolakandro teo. Soa ihany aloha fa tsy nisy olona nivezivezy teo amin'ilay tokontany tamin'io fotoana io, ka tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Na ilay mpamilin'ilay kamiao aza tsy naninona.
Foloalindahy - Fanamarihana ny «12 janoary». Fihetsiketsehana samihafa no nentin'ireo manamboninahitra rehetra nanamarika ny fetin'izy ireo «12 janoary», ny asabotsy teo. Ny teto an-drenivohitra, ankoatra ny fanompoam-pivavahana sy ny fanatanjahan-tena, dia niavaka ny dia an-tongotra notarihin'ny minisitry ny Fiarovam-pirenena Manorohanta Cécilia, niainga teny Betongolo, namakivaky an'Ambohitsaina ary nifarana teo amin'ny kianjan'i Betongolo.
Antanetibe - Ray nanolana ny zanany. Na dia nandà hatramin'ny farany ny filazana fa nanolana ny zanany aza ity raim-pianakaviana iray, monina eny Antanetibe, dia nitàna azy hatramin'ny farany ilay zanany vavy kely 8 taona.
Nangonin'i




Fanafihana
Jiolahy kalaza iray no tratra
Mihasaron'ny polisy tsikelikely amin'izao fotoana izao ireo andian-jiolahy nanafika ny mpiasan'ny hetra teny Ambohijatovo, ny volana mey 2007.
Jiolahy iray raindahiny amin'ny fanafihana mitam-basy indray, no saron'ny polisim-pirenena, misahana ny heloka bevava eny Anosy rantsana fahadimy (Bc5), ny asabotsy teo. Anisan'ireo jiolahy nanafika ny mpiasan'ny hetra teny Ambohijatovo, ny 4 mey 2007 teo, ity jiolahy ity, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny fampitam-baovaon'ny polisy. Volam-panjakana be mitentina hatrany amin'ny 352 256 854 ariary no indray very tamin'izay fotoana izay.
Ao anatin'ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe "bande des 6" izy ity. Izany hoe ilay andian-jiolahy nandravarava teto an-drenivohitra tamin'ireny fotoana ireny. Saingy tafaporitsaka ihany izy ireo, na niezaka nikaroka azy aza ny mpitandro ny filaminana.
Efa-dahy tamin'io andiany io izy no niara-dia nanafika ny mpiasan'ny biraon'ny hetra tamin'io fotoana io, raha tsiahivina vetivety ny fizotran' ny raharaha. Tsy nisy nisaron-tava, raha ny fanazavan'ireo mpiasa sy ny manodidina.
« Ao anatin'ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe "bande des 6" izy ity ».
Ny roalahy no niditra nialoha tao amin'ny birao, toy ireny olona hanao raharaha tao ireny. Saingy ny ratsy moa tsy misy tandroka ahafantarana azy ka dia tafiditra soa aman-tsara izy. Ny roalahy ambiny kosa niandry tety
ivelany.
Narahin'ireto roalahy efa tafiditra tao an-trano ireo mpiasa hanatitra ny vola be haterina any amin'ny banky foibe, rehefa nivoaka ny birao, ary izay no nahafantaran'ireo tany ivelany fa ireo teo alohan'ny namany ireo no lasibatra. Raikitra ny fanafihana, famelezana totohondry ilay lehilahy nitondra vola, fanapoahana basy, fisintonana sakaosy ... Ary iny ireo jiolahy, avy teo, no lasa nirodorodo nidina tamin'ny elakelan-trano mihazo ny trano heva eo Analakely.
Efa nisy telolahy naman'ity jiolahy ity no saron'ny polisy ary any am-ponjan'i Tsiafahy amin'izao fotoana izao. Roalahy hafa mbola mpiaraka aminy izany sisa no karohina amin'izao fotoana izao.
Natolotra ny Fampanoavana, omaly moa, ny anao lahy.




Tsaralalàna
Lehilahy roa voatifitra, polisy iray naratra
Lehilahy roa nitondra « scooter » iray avy, nenjehin'ny polisy, no maty voatifitry ny polisin'ny Gir. Polisy iray hafa ihany koa, nandamina ny fifamoivoizana, no naratra, voatifitra teo amin'ny tongony. Zava-nisy teny amin'iny faritr'i Tsaralalàna iny izany, omaly antoandro. Raha ny fanazavan'ny polisy dia balan'ireo roalahy nenjehin'izy ireo no nahavoa ity polisy ity.
Nitondra basy mantsy izy roalahy ireto ary nahasahy nifamaly tifitra tamin'ny polisy teny an-toerana, raha ny fanazavan'izy ireo. Voalaza fa tratra teny amin'izy roalahy ny basy « Mac » sy fahana iray misy bala roa, basy « Patt » sy fahana roa.
« Bandy efa-dahy mampiahiahy mihaodihaody eo akaikin'ny Galana Tsaralalàna izy ireo, ka naharay antso an-telefaonina ny polisin'ny "Groupe d'intervention rapide" (Gir) dia tonga teny an-toerana », hoy ny fanambaran'ny polisy voaray avy tamin'ny sampana fifandraisana. Voalaza fa nisy iray tamin'izy ireo voabedan'ny polisy.
Ho an'ireo nahita dia nifanenjika avy tany Tsaralalàna ambony tany ireto polisy sy ireto roalahy nitondra « scooter ». Teo akaikin'ny sampana mpamonjy voina teo, natsipin'izy roalahy avy ny "scooter" nentiny dia iny ry zalahy no lasa nitsoaka. Ny iray moa tratran'ny polisy tsy lavitra (teo akaikin'ny fivarotan-tsolika) ilay faharoa kosa mbola lasa nandositra ka nihazo an'iny "cité Lacoste" iny ary tany no tratra », hoy izy ireo.
Izany Raharitsalama Hery Tiana, na « Tiana masiso », araka ny fanazavan'ireo polisy, ny iray tamin'ireo maty voatifitra. Nahitàna « puce » Celtel amin'ny anaran'olona samihafa teny aminy.




Fenoarivo Atsinanana
Gadra efatra nandositra
Vaky indray ny fonjan'i Fenoarivo-atsinanana, ny asabotsy lasa teo. Gadra efa-dahy no indray tafatsoaka tamin'izany. Raha ny fanazavana azo avy amin'ny zandarimariam-pirenena, dia nihanihan'ireto gadra ny tambohon'ny fonja ka iny izy no lasa.
Nisy mpiambina teo amin'ny vavahady tamin'io fotoana io, saingy variana niresadresaka teo dia izay no nohararaotin'ireo voafonja efa-dahy nitsoahana.
Teo no ho eo ihany dia raikitra ny fanenjehana. Niditra an-tsehatra ny polisy sy ny zandary ary natao ny sakana rehetra.
Na dia eo aza anefa izany dia tsy mbola nisy tratra moa ireo gadra ireo na iray aza.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsimbazaza - Lehilahy maty an-dàlana.
Tsy tonga tany an-tranony tsy lavitra akory ilay raim-pianakaviana no namoy ny ainy teny an-dàlana teny Tsimbazaza, omaly antoandro. Avy nanatitra ny zafikeliny nianatra izy no tratry ny tsy fahasalamana tampoka. Lasa naka aina teo an-tsisin-dàlana. Kanjo iny niondrika nitady toerana tsaratsara hipetrahana iny izy no niankohoka teo. Tsy tafarina intsony.
Ankadindramamy - Vehivavy bevohoka maty irery tao an-tranony. Tsy fantatra izay nanjo an'ity vehivavy nitondra vohoka, teny Ankadindramamy, izay namoy ny ainy irery tao an-tranony. Mipetra-drery izy ary miasa
mikarakara tokantrano no fivelomany. Ny mpampiasa azy, izay nahatsindry satria tsy tonga niasa maraina izy, no nahita ny razana tao an-tranony ka nampandre ny zanany.
Ankazobe - Dahalo ireo maty voatifitra. Fantatra izao, araka ny vaovao nampitain'ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, fa dahalo nangalatr'omby ireo roalahy maty voatifitra tao Talatan'Angavo amin'iny faritr'Ankazobe iny, ny asabotsy maraina teo. Ny tompon'omby niaraka tamin'ireo fokonolona no nahatratra azy.
Manerinerina - Kamiao ben'ny orinasa «Star» nivadika. Hiditra indrindra an'ilay fiolahana eo Manerinerina, afak'omaly, ilay kamiao ben'ny orinasa «Star» no nivadika. Labiera no nentiny tamin'izay, andeha haterina any Mahajanga, ary dia saika potika avokoa. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.
Nangonin'i




Antsalovana
Polisy iray maty notafihan'ny jiolahy
Noravan'ny jiolahy, omaly alina, ny paositry ny polisy teny Ambalavao. Polisy iray no maty ary iray naratra niaraka tamin'ny sivily namany. Lasany koa ny basy roa sy ny findain'ireto polisy.
Notafihin'andian-jiolahy nirongo fiadiana, omaly alina, ny paositry ny polisy teny Antohomadinika Antsalovana. Polisy iray, Brigadier en chef Razafimahatratra Edmond (42 taona), no maty tsy tra-drano, ary polisy iray hafa, brigadier principal Rakotohasimbola, sy sivily iray niaraka tamin' izy roalahy tao amin'ny birao no naratra.
Raha ny fitantaran'ireo fokonolona teny an-toerana, dia ny namono an'ireto polisy mihitsy no tena anton-dian'ireto jiolahy ireto, satria tsy nisy resaka na tabataba inona nataon'izy ireo, fa tonga dia nitifitra. « Nipoaka ny basy vao taitra daholo izahay », hoy ireo nipetraka tsy lavitra an'ilay biraom-pokontany nisy ny paositry ny polisy.
Bala efatra no niantefa teny amin'ilay polisy maty, roa kosa teny amin'ilay iray naratra izay miady mafy amin'ny fahafatesana eny amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha amin'izao fotoana izao, ary bala roa ihany koa no teny amin'ilay sivily naman'izy ireo. Tsy dia naninona firy ity farany ity satria mbola afa-nitsoaka nampandre ny polisy teny amin' ny 67 ha.
Nangalarin-dry zalahy moa ny basin'izy roalahy sy ny findainy ary iny izy no lasa. Nitsoaka niankandrefana.
Sendra ny tsy nampozina
Teo am-panaovan-daomy, eo am-piandrasana ny vary ho masaka handehanana manao fisafoana ny tanàna ireto polisy roalahy ireto izao notafihin'ny jiolahy izao. Mbola teo ambony fatapera avokoa na ny vary masaka iray vilany, na ny saosisy hatao laoka tamin'io alina io.
« Polisy efa-dahy izy no indray miasa ao amin'ity paositra ity. Saingy ilay iray naman'izy ireo nanam-pahoriana ka tsy teo. Ilay faharoa kosa nilaza ho nandeha nisakafo. Ary dia izy roalahy sisa no tao », hoy ihany ireo fokonolona. Toa tena nandrasan'ireo jiolahy mihitsy izay hahavitsy an'ireo polisy tao amin'ny birao sy izay hahavariana azy, izay ry zalahy vao nanafika.
Nambaran'ireo fokonolona teo amin'ny manodidina mantsy, satria somary bebe olona ihany iny faritra iny ka be mifamezivezy na dia any amin'ny 10 ora alina aza, fa nanomboka tamin'ny 9 ora alina tany ho any dia efa tazan'ireo mponina teny an-toerana nisodisody teo ireo olon-dratsy ireo.
« Maromaro ry zalahy no tonga teo, nipetrapetraka teo ivelany teo. Nisy mihitsy aza ny nanao nivoaka sy niditra tao amin'ny birao, ka izay no toa tsy naharototra ireo olona satria noheverin'izy ireo fa olona manan-draharaha tao amin'ny polisy na naman'izy ireo », hoy izy ireo.
Voalaza mantsy fa nisy tamin'izy ireo no nanao fanamiana miaramila, saingy tsy dia voamarika firy ny lokony noho ny toerana tsy dia misy hazavana loatra. Ny ankamaroany nanao fanamiana mihaja, toy ny pataloha velon-drirana sy lobaka misisika.
Nihadihaody teo ivelany
Raha ny tena izy anefa dia tsy nisy afa-tsy teo amin'ny efa-dahy teo izy no tena nanafika. « Iraika lahy no mody nivezivezy tao amin'ny birao nisy an'ireo polisy, nitazana azy ireo avy tao anatiny. Telolahy nijery azy ireo nilalao daomy avy teo ambaravaran-kely. Nivoaka avy tao an-trano ilay iray niditra dia toy ny nihodina kely tany ambadiky ny trano, ka avy eo nanatona an'ireo telolahy teo ivelany. Nanaraka azy avy teo ny roalahy ary tonga dia niditra tany an-trano ka nitifitra », hoy ireo fokonolona. Nambaran'izy ireo fa raha ny fahitana azy dia ilay iray nijanona teo ivelany no toa nibaiko an' ireo telolahy tao anatiny. « Teo amin'ny manodidina ny valo teo ny poa-basy re teny an-toerana, efatra tamin'ny voalohany ary toy izany ihany koa nony afaka kelikely », hoy ny sefo fokontany, Ramarojaona Théophile.
Tsy lavitra ny birao nisy ny paositry ny polisy mantsy ny tranony, ary vao avy nijery fahita lavitra mihitsy izy, raha ny fitantarany, ka handeha hatory, no nandre ny poa-basy. « Noheveriko ho polisy misambotra jiolahy any amin'ny arabe any no fandrenesako azy dia tsy taitra aho. Kanjo ny olona no tonga tao amiko niantso ahy. Izay aho vao niarina sy nandeha nijery », hoy ihany izy.
Nosoritany fa efa hatramin'ny taona 1989 tany no niorenan'ity paositry ny polisy teny Antsalovana ity, ary nilamina tsy nisy firy ny fanafihan-jiolahy tamin'iny toerana iny. Omaly hariva ihany moa ny nofo mangatsiakan'ity polisy maty ity no nentina namonjy ny tanindrazany any Ambalavao Fianarantsoa.





Antsalovana
Razafimahatratra Edmond, polisy mahatoky
Ity polisy maty ity, ny brigadier chef Razafimahatratra Edmond, no lehiben'ny paositry ny polisy eny Antohomadinika Antsalovana, izay miankina amin'ny kaomisarian'ny polisy eny amin'ny 67 ha. Nivoaka tao amin'ny andiany fahadimy tao amin'ny sekolin'ny polisy tany Antsirabe izy. Tso-piaina, raha ny fanazavan'ireo polisy namany, ary nanao ny asany tamin-kitsipo. Tsy mba nisotrosotro izany. Ary na ireo fokonolona teny amin'iny faritr'Antsalovana iny aza dia nanambara izany avokoa.
Ankoatra ny asa nosahaniny teo anivon'ny polisim-pirenena, rehefa nivoaka ny sekoly izy, dia niantsoroka ny asa fiarovana ny minisitry ny Fitsarana teo aloha. « Matoa izy nalefa hiantsoroka izany asa izany dia noho izay toetrany izay, satria tsy ny polisy rehetra no afa-manao izany fa tsy maintsy misy fifantenana, indrindra raha mandefa fangatahana fotsiny ilay olona fa tsy manondro olona », hoy ity manamboninahitry ny polisy iray.
Manambady ary namela kamboty efatra mianadahy ny brigadier chef Razafimahatratra Edmond.




Tale jeneralin'ny polisy
« Ahiana ny hifandraisany tamin'ny teny Tsaralalàna »
« Anisan'ny mampiahiahy ihany ary ho dinihina ao anatin'ny famotorana fa tsy azo hamaivanina ny mety ho fifandraisan'ny zava-nitranga nataon'ny ekipa voatokana teny Tsaralalàna, omaly maraina (mantsy ny afak'omaly). Saingy tsy afaka hamaritra ny fahamarinan'izany raha tsy misy porofo ka aleo ny famotorana no hanazava azy. »
Tenin'ny tale jeneralin' ny polisy, ny contrôleur général Talbot Antonin Alexis, izany omaly. Nosoritany fa hohamafisina ny fiarovana ireny paositry ny polisy ireny sy ny toerana misy azy, satria miakatra avo ny fahasahian'ny jiolahy. Ho jerena ihany koa ny fananan'ny polisy traikefa eo amin' ny fanatanterahan'izy ireo ny asany.
« Na izany aza anefa dia manohy ny asany andavan'andro ihany ny polisy miasa amin'ireny toerana ireny. Saingy ho jerena amin'ny antsipirihany izay any amin'ny toerana tena atahorana », hoy izy.
Ny marainan'ity nisehoan' ny raharaha teny Antsalovana ity ihany moa dia efa namory ireo tale isan-tokony ny tenany. Mbola nitohy izany ny tolakandro, tamin'ireo lehiben' ny sampandraharaha samihafa.





Ampefiloha
4L nivadika, olona 4 naratra
Fiara 4L iray niharan-dozam-pifamoivoizana no nivadika teo afovoan'arabe teny Ampefiloha, omaly alina. Olona dimy no tao anatiny, izay voalazan'ireo nahita fa samy naratra mafy avokoa. Soa fa tsy nisy aina nafoy.
Raha ny fitantaran'ireo nahita dia avy tany Andavamamba no fihavian'ity fiara ity. Toy ny nisidina izany izy rehefa nandika an'ilay lalamby teo amin'ny arabe teo, ka rehefa nitontona tamin'ny tany dia nivadibadika. Tafahoatra an'ilay sakana afovoan' ny arabe manasaraka ny lalana roa mihitsy. Izany hoe tonga tany amin'ny arabe, amin' ny ankavian-dalany.
Potika sy nikaperotra, araka izany, ilay fiara. Tao anatiny moa nahitana rà.




Ambohimanambola
Magazay sinoa nisy namaky
Olona enina no indray saron'ny zandary namaky magazai-na sinoa teny Ambohimanambola ny asabotsy alina lasa teo. Mpiambina ny telo tamin-dry zalahy ireto, ka tamin'ny alalan'ilay findain'izy ireo tavela teny, tamin'ny toerana saika hitaterany entana no nahafahana nisambotra azy.
Simenitra 35 kitapo tao amin'ity magazay ity no notetehin'izy ireo navoaka tamin'io fotoana io. Efa tafavoakany teny an-tokontany mihitsy. Saingy nisy zavatra naneno voadonan'izy ireo ka izay no nanaitra an'ilay sinoa. Lakana mihitsy no nomaniny teny an-toerana saika hitaterany ny entana.
Tsy nisy tratra moa, fa afa-nitsoaka ry zalahy nony taitra ilay sinoa. Ka ny ampitso alahady vao nosamborina tsirairay.




Nomination
Andrianaly, chef de région de la Sava
L'administrateur civil de carrière, Narcisse Benaivo Andrianaly, continue son parcours professionnel. Le conseil des ministres d'hier, au palais d'État d'Iavoloha, l'a nommé chef de région de la Sava, dans la circonscription administrative d'Antsiranana. Il succédera à Moana Essa Raseta dont la nomination a été abrogée récemment.
Narcisse Benaivo Andrianaly, quant à lui, n'est pas nouveau dans l'Administration. Il était déjà préfet de région de Toamasina I, avant de devenir directeur de la réforme administrative auprès du ministère de l'Intérieur et de la réforme administrative (Mira) en juin 2006. Il est, ainsi, un proche collaborateur du ministre de l'Intérieur, Charles Rabemananjara, comme le nouveau chef de région d'Analamanga, Fidy Ratsimbazafy, qui était aussi auparavant directeur des Ressources humaines (DRH) au sein du même département.
Le nouveau chef de région de la Sava avait siégé au sein du comité préparatoire de la révision de la Constitution en 2007, à côté de Noël Rakotondramboa, Honoré Rakotomanana, Anaclet Imbiky, Jean Eric Rakotoarisoa, Louis Mandimbilaza, Boto Tsara Dia Lamina, Jean Rakotoarison et Julien Velontrasina.




Raharaha Tsaralalàna
Nofotorana ilay lehilahy voasambotra
Ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy no miandraikitra ny fanadihadiana ny raharaha teny Tsaralalàna, ny talata teo. Efa niatrika izany ilay lehilahy azo sambo-belona.
Nanomboka, omaly, ny famotorana ilay lehilahy azo sambo-belona, naman'ireo jiolahy roa maty voatifitry ny polisin'ny Gir teny Tsaralalàna, ny talata antoandro teo. Goavana ny raharaha ka nafindra eny am-pelatanan'ny polisy misahana ny heloka bevava, eny Anosy, ny fisahanana izany.
Omaly izy no naterina teny an-toerana ary tonga dia niatrika famotorana.
Izy irery aloha hatramin'izao no mbola eo am-pelatanan'ny polisy. Ary noho ny mahasarobidy ny famotorana dia mijanona ho tsiambaratelo avokoa izany rehetra izany.
Ahiahy
Ho lavalava ihany ny famotorana ity iray tratra ity satria ankoatra ilay raharaha teny Tsaralalàna dia fantatra fa anisany hanadihadiana azy ihany koa ny mikasika ilay fanafihana ny paositry ny polisy teny Antsalovana-Antohomadinika ; raharaha izay nahafatesana polisy iray sy naharatrana polisy iray hafa. Mbola ireo polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ihany koa mantsy no hiandraikitra izany.
Araka ny efa nanazavan'ny « contrôleur général » Talbot Antonin, tale jeneralin'ny polisim-pirenena azy moa, dia anisany ipetrahan'ny ahiahy amin'iny zava-nitranga iny, ny raharaha teny Tsaralalàna, ankoatra ny fikarohana samihafa, indrindra izay tompon'antoka tamin'izany. « Aleo ny famotorana no hamaritra azy, raha misy ny fifandraisany na tsia », hoy izy.
Etsy andanin'izany, omaly tolakandro ny fianakavian'ireo roalahy maty voatifitry ny Gir teny Tsaralalana vao naka ny fatin'izy roalahy tao amin'ny tranom-patin'ny Hjra ao Ampefiloha. Tsy afaka nanao izany avy hatrany mantsy izy ireo, na dia nisy naniry izany ihany aza, raha tsy nahazo alàlana avy tany amin'ny polisim-pirenena, ao amin'ny sampana misahana ny heloka bevava. Tsy maintsy ilaina amin'ny famoahana ny razana mantsy io taratasy avy amin'ny polisy io, izay entina ihany koa manao ny
« autopsie » ny razana.





Fahasalamana
Mila vonjy i Herizo
Zazalahikely 9 taona, Rakotondrazafy Maminiriana Herizo, no miangavy ireo izay malala-tanana sy tia asa soa, na olon-tsotra io na fikambanana, mba hanampy azy amin'ny fiatrehany ny fitsaboany tena amin'izao fotoana izao. Nambaran'ny reniny, Voahanginirina Monique Irène, mantsy fa mana-kilema amin'ny tsy fahafehezana ny malotony intsony i Herizo amin'izao fotoana izao. Mandeha ho azy avokoa izany rehetra izany.
Ny fandidiana natao azy fony kely, raha ny fanazavan-dreniny, no nahatonga izany kileman'i Herizo izany. Nisy zavatra nivonto be efa hatrany am-bohoka tao amin'ny fitombenany tao. Nodidiana io ka taorian'izay fandidiana azy izay no nahatonga azy ho tsy nahafehy intsony ny fandefasana ny malotony.
Nanamarika, araka ny taratasy fizaham-pahasalamana nosoniaviny ny mpitsabo mikarakara azy, noho izany tarehin-javatra izany, fa tsy maintsy mila « couches » toy ny zazakely ireny izy. Tsy maintsy miatrika fitsaboana amin'ny fampianarana mitaiza-vatana (séances de rééducation) mandritra ny fotoana maharitra koa izy.
Tsy misy afa-tsy ny reniny irery anefa no miahy sy mikarakara azy ary izy mianaka dia ao anatin'ny fianakaviana tena sahirana. Koa izany no iantsoany ireo rehetra tsara-sitra-po mba hanampy azy.
Eny Ikianja-Ambohimangakely i Herizo kely no mipetraka ary ny finday 034 04 994 97 no ahafahana miantso ho an'izay olona afaka manampy azy mianaka.




Fandriampahalemana
Mpangarom-paosy 17 indray no voasambotra
Mpangarom-paosy 17 no indray saron'ny Fiarovana ny filaminam-bahoaka iombonana (Ffbi). Ny fiandohan'ny taona teo ny Ffbi no nijoro ary araka izay anarany izay, dia ny
fiarovana ny vahoaka mpandeha amin'iny fiara fitateram-bahoaka iny no asany sy tanjony.
Tonga dia asa ny azy ireo ka nanomboka ny 9 janoary ka hatramin'ny omaly, raha ny fanazavan'ny filohany, Rakotomalala Olivier, no nahazoan'izy ireo izao vokatra izao.
Tsy vitan'ny mampihorohoro ny mpandeha fotsiny ireto mpangaraom-paosy ireto mantsy, raha ny nambaran'ity filohan'ny fikambanana ity, fa sady mandrahona ihany koa ny mpanampin' ny mpamily. Tsy afa-manoatra, araka izany, ny mpiasan'ireny fiara fitateram-bahoaka ireny satria miasa marain-tsy hariva, ka tsy sahy miteny na dia mahafantatra azy sy mahitsikaritra izay fihetsika ataony amin'ny mpandeha aza.
Efa natolotra ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izay tratra. Tsy miasa irery mantsy ny fikambanana fa miara-miasa amin'ireo mpitandro ny filaminana, na ny polisy kaominaly izany na ny polisim-pirenena.
Paosy sy poketra no tena maivok'ireto jiolahin'ny fitateram-bahoaka ireto. Eo ihany koa ny finday ka amin'ireny fisesehana miakatra ny fiara ireny no tena famelezany azy.
Voalaza fa kaoperativa 95 amin'ireo 97 miasa eto an-drenivohitra no niditra ho mpikambana ao anatin'ny Ffbi.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanafihana - Mbola hiatrika ny fandidiana ilay polisy naratra. Efa manomboka mihatsara kely ny fahasalaman'ilay polisy naratra notafihin'ny jiolahy teny Antsalovana, ny talata alina teo. Vita soa aman-tsara ny fandidiana azy, afaka ny bala teo amin'ny kibony. Nefa dia re izao fa tsy maintsy mbola hiatrika ny fandidiana iray hafa ihany koa izy.
Hopitaly Hjra - Ambenana ilay polisy naratra. Satria fanafihan-jiolahy izy ity dia ambenana ihany koa ao amin'ny hopitaly Hjra ao Ampefiloha ilay polisy naratra. Hatry ny talata alina nidirany hopitaly dia efa entitra ny fiambenana. Samy nandray andraikitra daholo na mpitsabo na polisy. Ny sampana vonjy taitran'ny hopitaly dia tsy azo ivezivezen'ny olon-kafa afa-tsy ny marary ihany.
Fanondranana sokatra antsokosoko - Notsaraina ilay teratany afrikana. Nentina notsaraina teny Anosy, omaly, ilay teratany afrikana iray tratra saika hanondrana sokatra an-tsokosoko teny Ampandrana. Tsy nivoaka teo no ho eo moa ny didim-pitsarana fa mbola andrasana amin'ny herinandro.
Nangonin'i




Fihetsika tsy mahomby
... Leo ny fifampitondrana sy ny fitiavan-tena ny olona.
Anisany fihetsika sy fomba tsy mampandeha ny asa eto amintsika na dia tena miezaka aza ny Filoha dia ny toe-tsaina tsy mety miova fa tia tena sady zatra ny lalan-dririnina foana, izay ataon' ireo miseho ho olondehibe manakaiky ny olona ambony na ny Filoha mivantana mihitsy. Manimba azy anefa izany.
Tanora izahay ary tena mitarika mihitsy hatry ny efa ela, nanohana foana ny Tim, tsy ny Filoha no tsy tian' ny olona na ny «train» haingam-pandeha no safidiny fa leo ny fifampitondrana sy ny fitiavan-tena ny olona.
Haja Nirina Razafy




Mahajanga
Zandary naka vola tamin'ny sheky halatra
Hitsikitsika natao ivavahana indray no lasa papango nipaoka zanak'akoho. Mpitandro ny filaminana indray no nahavita nisoloky sheky-na orinasa.
Tsy mahagaga raha tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka, raha ny tranga izay nahazo ny orinasa iray ao Mahajanga no jerena. Nampiantso ny talen'ity orinasa ity ny tompon'andrikitry ny banky nakana ny vola fa « misy sheky alain'olona mitentina 1 600 000 ariary, izay mampiahiahy ny sonia, ka mila hamarinin'ny talen'ity orinasa ity izany raha izy marina no nanao azy na tsia. »
Namaly moa ilay tale fa « tsy nanome sheky na iza na iza amin'io sandam-bola voasoratra io mihitsy ny tenany, ka tokony ho tazonina sy hiantsoana ny mpitandro ny filaminana izany olona izany. »
Nihetsika avy hatrany ny polisy ao amin'ny Commissariat Central, ka noraisim-potsiny ity zandary mitondra galona tsipika telo (gendarme de 1e classe).
Rehefa nohamarinina ny kaontin'ilay orinasa dia fantatra fa efa indroa ity zandary ity no naka vola tamin'ny shekin'ilay orinasa. Ny voalohany tamin'izany dia mitentina Ar 1 000 000 izay tsy nisy nahamarika, tamin'ny faraparan'ny taona 2007 iny ka azony tokoa. Dia izy izao nikasa haka Ar 1 600 000 izao indray raha vao niandoha ny taona fa tamana nahazo.
Nilaza moa ity tale very vola ity fa « tsy miala anatin'ny kitapoko na mipetraka ao amin'ny coffre ny sheky nakana ireo felana roa nahazoany ireo vola ireo, ka tena zendana ny tenako amin'ny nahatonga izany ho teny am-pelatanan'ity zandary ity. »
Ity zandary ity indray rehefa niresadresaka tamin'ireo namany izay mikasa hanao fanelanelanana dia nilaza fa « nomen'olona azy ireo sheky ireo ka tsy fantany mihitsy hoe halatra tamin'orinasa. » Fanadiovan-tena ihany anefa izany satria misoratra mivandravandra amin'ireo sheky ireo ny anaran'ny orinasa sy ny anaran'ny olona afaka manao sonia aminy, izay mazava loatra fa tsy nanolotra azy io an'ity zandary ity mihitsy. Azo eritreretina ihany koa araka izany ny fisian'ny mpiray tsikombakomba amin'ity zandary ity eo anivon'ilay orinasa.
Mbola mitohy moa ny fanadihadiana ary tsy misy mipika ny resaka noho izy mahakasika ireo mpitandro ny filaminana. Ho hita eo ihany ny tohiny rehefa mandalo fitsarana ny raharaha.




Vohémar
Taolam-paty iray gony tratra
Taolam-paty iray gony, nahitana taolan-dava miisa 75, no indray hitan'ny fokonolona tao Ampanefana Vohémar, omaly tolakandro. Tao anaty kirihitr'ala no nametrahan'ireo mpangalatra azy, ka ankizy naka kitay no nahita azy. Ireo avy teo no niantso ny fokonolona sy nampandre ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana.
Sambany tamin'iny faritra iny no nisy halatra taolam-paty toy izao. « Misy famakiam-pasana ataon'ny jiolahy foana tany hatramin'izay. Saingy ireo firavaka sy fitafiana ampombaina ny maty no robain'izy ireo. », hoy ireo fokonolona nampita ny vaovao. Efa noraisin'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana moa ireo taolam-paty ireo ary nalevina any amin'ny fasam-bahiny.




Hosoka
Cd piraty 600 tratra, olona 18 voasambotra
Nihetsika nanao be midina nankahatratra an'ireo mpivarotra Cd tamin' ny toerana maro teto an-drenivohitra afak'omaly ny trano mpamokatra Cd iray, niaraka tamin'ny mpitandro ny filaminana. Tamin'izany no nahatraran'izy ireo Cd hosoka miisa 600 izay novokariny, sy olona 18 tratra nivarotra izany.
Nanomboka teny Analakely, fasan'ny karana, Ambodivona, Tsaralalàna, Isotry... ny toerana nandehan'izy ireo.
Marihina fa ny roa amin' ireo olona vosambotra ireo dia vehivavy. Omaly avokoa izy ireo no natolotra ny Fampanoavana teo Anosy.




Ampanihy
Tsy nisy ratsam-batana ilay zandary
Vatana tsy nisy ratsam-batana sy loaka kibo sisa no hita tamin'ilay zandary natelin'ny reniranon'i Mangoky, ny 12 janoary teo. Niampita rano nanenjika dahalo izy izao tra-doza izao.
Hita, omaly, tamin'ny folo ora maraina, tao amin'ny reniranon'i Mangoky, any amin'ny distrikan'Ampanihy, ihany ny fatin'ilay zandary, G2 Jean Thierry, lasan'ny rano ny 12 janoary teo. Ny vatany nitsinkafona teny ambony rano no tsikaritry ny fokonolona.
Tsy teo intsony ny tanany sy ny tongony. Ny kibony aza loaka ary efa tsy tao intsony ny ankamaroan'ny taova tao anatiny. Raha ny tombatombana nataon'ireo zandary dia mety ho nosaritahan'ny voay ary nohaniny ity zandary ity. Nanao fanarahan-dia omby very no namoizany ny ainy toy izao. Omby 72 mantsy no indray nangalarin'ny dahalo, tao Ankily, ao amin'ny kaominin'Ianapera, distrikan'Ampanihy. Niantso vonjy ny fokonolona ka zandary telolahy izy no nanao ny fanarahan-dia.
Nony tonga teo amin'ny reniranon'i Mangoky, dia tratra teo am-piampitàna ny rano ireo dahalo sy ny omby noroahiny. Raikitra ny fifandonana ka resy tosika ihany ireo jiolahy rehefa ela ny nifampitifirana teo. Lasa izy nandositra ary navelany teo ny omby nangalariny.
Teo am-piampitàna ilay renirano ireto zandary telolahy sy ny fokonolona no nosaratihan'ny voay ny iray tamin'ireo mpitandro ny filaminana. Niezaka ny nanavotra sy nisintona azy ihany ireo fokonolona niaraka taminy, fa tsy avotra izy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanafihana paositry ny polisy - Olona 16 no voasambotra. Tsy mandry andro, tsy mandry alina, ny polisy mikaroka ireo jiolahy ahiahiana sy mety nahavanon-doza tamin'ny fanafihana paositry ny polisy, teny Antsalovana, ka nahafaty polisy roalahy. Omaly fotsiny, dia olona 16 no indray voasambotra.
Alarobia - Mpandroba dimy lahy sarona. Saron'ny polisy avokoa ankehitriny ireo nandroba tao amin'ny magazain'ny minisiteran'ny Fanapariaham-pahefana, teny Alarobia. Dimy izy ireo no namaky ilay magazay. Ireny fanitso "Galva" matevina be ireny no very. Efa lafon'ireto mpangalatra ary nahazoany vola 2 tapitrisa ariary.
Tsaratanàna - Dahalo matin'ny zandary. Nanararaotra ny ala nitondrana azy ity dahalo raindahiny iray, tany Ambalafarihy, kaominin'i Bekapaika, distrikan'i Tsaratanàna, ka nikasa ny hitsoaka. Nanao tifidanitra nampitandremana azy ireto zandary, fa tsy nahoany. Velona ny fifanenjehana ka lavon'ny bala izy.
Nangonin'i




2008 : Taonan'ny «Afindrafindrao»
Mba tiako hisidina ambony ny firariako, dia ny hoe : Mba ho taonan'ny «Afindrafindrao» anie ity 2008 ity.
Irariako ny mba hilofosan'ny mpanakanto rehetra, tsy anavahana sehatra isehoana, hikaroka izay hanomezana endrika sy filatro vaovao ary rindran-dihy sy fiseho vaovao, sary hoso-doko, sary sokitra...- ho an'ny «Afindrafindrao»-pirenentsika. Ary iriko izany mba hanerana Nosy, eny, hivoaka ny sisin-tany sy ny moron-tsiraka aza.
Hetahetan-jaza ihany angamba izany, nefa tsy nofin'olona mamoy fo.
Raklio




Élections
147 sièges de conseillers régionaux à pourvoir
Les premières informations sur les modalités d'élection des membres du conseil régional, le 16 mars, sont connues. Il faut élire 147 conseillers régionaux.
Les dispositions relatives aux élections des membres du conseil régional le 16 mars se confirment. Les modalités de leur application ont été adoptées en conseil du gouvernement, vendredi. Le nombre des conseillers régionaux à élire est ainsi fixé à 147 dans toute l'île. Mais leur répartition se différencie d'une région à l'autre.
Le conseil des ministres, réuni au palais d'État d'Iavoloha la semaine dernière, a avancé une fourchette de 5 membres au minimum, et 14 membres au maximum, du conseil régional par chacune des 22 régions. À son tour, le secrétaire général du ministère de l'Intérieur et de la réforme administrative (Mira), Gervais Rakotonirina, a donné des explications détaillées sur le même sujet, samedi.
Selon l'administrateur civil, un district devrait sortir normalement un nom de conseiller régional. Cependant, certaines régions ne contiennent que deux ou trois districts. C'est le cas, entre autres, des régions du Bongolava, de l'Itasy ainsi que de l'Ihorombe.
Devant cette situation, il y a des districts qui auront des conseillers régionaux plus nombreux que les autres pour obtenir les 5 membres, au minimum, du conseil régional par région. «La région du Bongolava est composée seulement de deux districts. L'un de ces deux districts devrait, ainsi, élire trois conseillers régionaux contre deux pour l'autre», a illustré Gervais Rakotonirina.
Région hors catégorie
Analamanga, quant à elle, fait exception en tant que seule région hors catégorie. Les six districts de la Capitale constituent une circonscription électorale. Ils seront représentés par cinq élus au sein du conseil régional d'Analamanga. Les districts d'Antananarivo Atsimondrano et d'Antananarivo Avaradrano auront chacun deux conseillers régionaux.
Concernant la présentation aux élections des membres du conseil régional, la candidature par liste figure dans les conditions de recevabilité des dossiers, toujours selon Gervais Rakotonirina. «Même si les candidats prétendent à un seul siège dans une circonscription électorale, la candidature par liste est exigible. Outre le candidat titulaire, deux autres suppléants devront être inscrits dans le dossier de candidature», a-t-il mentionné.
Interrogé sur sa participation aux élections régionales, le président du parti Antoko Miombona Ezaka (Ame), Clément Ravalisaona, entretient toujours le suspense, même après ces explications du numéro 2 du Mira. «Nous allons demander l'avis des adhérents du parti», a-t-il répondu, en rappellant la déception de ces derniers à cause des fraudes électorales opérées à leur encontre lors des législatives et les communales.
Du côté de l'opposition, la revendication en vue de la révision des règles du jeu électoral est avancée comme préalable à la participation aux élections à venir.
Pour le moment, comme il n'y a pas de changement notable, il y a fort à parier que les principaux partis de l'opposition seront absents de ces élections régionales.
Encadré
Dissolution du comité régional
Les attributions normalement dévolues au conseil régional étaient assurées auparavant par le comité régional. L'article 18 du décret relatif aux régions stipule à ce sujet que jusqu'à la mise en place effective des structures de la région, les attributions du conseil régional, organe délibérant de la région, sont exercées par un comité régional.
Dans sa composition, le comité régional comprend tous les parlementaires issus de la région, membres de droit, des représentants des maires, correspondant au nombre des parlementaires et respectant une représentation par district, des représentants des opérateurs économiques et des organisations de la société civile exerçant dans la région.





Fandriampahalemana
Polisy 13 nigadra, 3 voaroaka, 5 naato
Am-polony ireo notanana am-ponja, ankoatran'ireo noroahina sy naato tamin'ny asany. Tsy mandefitra amin'ireo mitsivalam-pandry ny Polisim-pirenena.
Notanterahina, ny asabotsy teo, teny amin' ny cercle-mess-n'ny polisim-pirenena teny Antanimora ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona. Ny tale jeneralin'ny polisy, ny contrôleur général Talbot Antonin Alexis, no nitondra ny tenin'ny fianakaviam-ben'ny polisy niarahaba tratry ny taona ny sekreteram-panjakana miadidy ny Filaminam-bahoaka, Rasolofomanana Désiré. Tamin'izany ihany koa no nanaovany tatitra mikasika ny asa sy ny zava-misy teo anivon'ny polisim-pirenena nandritra iny taona lasa iny.
Fantatra tamin'izany, araka ny nanipihan'ny tale jeneralin'ny polisy azy, fa nisy polisy 13 no indray notanana am-ponja tamin'iny taona iny noho izy ireo voarohirohy tamin'ny raharaham-pitsarana, eo amin' ny sehatry ny fandikan-dalàna isan-karazany. Polisy 25, raha ny nanoritany azy, no tena voakasik'ity raharaha ity, fa nisy ny tsy notanana. Nisy telo tamin'ireo nametra-pialana ka voalaza fa kaomisera ny iray.
Eo anivon'ny Polisim-pirenena ihany, eo amin'ny tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana isan-karazany, dia nahatratra 85 ny isan'ireo polisy indray niakatra ny filan-kevi-pamaizana, ka ny telo tamin' izy ireo tsy maintsy nandraisana fepetra hentitra, noroahina tsy ho isan'ny Polisim-pirenena intsony. Ny dimy naato tamin'ny asany mandritra ny fotoana voafetra ary ny roa nalefa nisotro ronono nialoha ny fotoana.
Na dia nisy aza anefa izany dia notsindrian'ny tale jeneralin'ny polisy, Talbot Antonin, fa miasa ny polisy. « Nahatratra 13,71 % ny tahan'ny andian-jiolahy ravan'ny polisy tamin'iny taona 2007 iny, hoy izy. 24 ny jiolahy maty voatifitra ary 544 kosa no nigadra. Eo amin' ny lafin'ny fitaovam-piadiana dia nisy 64 ny basy tratra, izay mitsinjara toy izao : 25 basim-borona, 36 basy vita gasy, 3 revolvers, 4 grenades ary 892 ny bala. » Zavon-tany toy izany koa ny entana avotra na tafaverina amin'ny tompony.
Mihatra aman'aina ny asan'ny polisy satria tamin' iny taona iny dia voalaza fa nisy polisy telo no indray maty teo am-panatanterahana ny asany, ary enina naratra. Ary vao tamin'ity fiandohan'ity taona 2008 ity dia niarahan'ny rehetra nahita ny fisian'ny fanafihana ny paositry ny polisy teny Antsalovana izay namoizana polisy roa. Iray kosa
voatifitry ny jiolahy teny Tsaralalàna.




Morombe
Vonoan'olona nanadihadiana olona 16
Olona 16 no indray nanaovan'ny polisy famotorana tamin'ilay raharaham-bonoan'olona tany Ambahikily Morombe, amin'iny faritr'i Toliara iny. Raim-pianakaviana mpanangom-bokatra antsoina hoe Ralay Niriko no maty voatifitra tany an-toerana, ny 23 okotobra 2007 teo, araka ny fanazavan'ny rahalahiny, Franco Nantenaina. « Bala roa no nahafaty azy, ary vola mitentina hatrany amin' ny 33 tapitrisa ariary no tsy hita popoka, hoy ity rahalahiny, raha izy nandeha nitady sakafo hariva. »
Nosoritany fa tsy resaka fanafihan-jiolahy no nahafaty ny rahalahiny fa resaka lolompo. Efa nametraka ny fitarainany tany amin'ny manam-pahefana tany an-toerana izy ireo, saingy tsy nahita mangirana tamin'izany, « ka nametraka fitarainana any anivon'ny Bianco sy manam-pahefana mahefa, hatrany amin' ny filohan'ny Repoblika ny tenako», hoy izy.




Ambanidia
Jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Tsy mitsitsy amin'ireny jiolahy ireny mihitsy ny eo anivon'ny polisim-pirenena amin'izao fotoana izao. Jiolahy iray indray, antsoina hoe Tita, no maty voatifitr'izy ireo, ny asabotsy antoandro teo, tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany, teny amin'iny faritr'Ambanidia iny. Bala roa teo amin'ny faritry ny tratrany no nahalavo an'ity jiolahy ity.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny polisim-pirenena, dia antso vonjy avy tamin'ny mponina teny amin'iny faritra iny, noho ny fahatazanana an'ity jiolahy ity nandehandeha teny an-toerana, no nahatonga ny polisy nandeha teny. Tonga teny tokoa izy ireo ary raikitra ny fifandonana teo amin' izy roa tonta. Voalazan'ny polisy mantsy fa nanana basy ity jiolahy ity ka rehefa tazany lavitra ny polisy hisambotra azy dia kaody izy ka namoaka ny basiny. Ny an'ny polisy anefa no tonga aloha ary izay no nahavoa azy.
Voalaza fa amin'iny manodidina ny paositra iny, ny tsena ary eo amin'ny rond point eo no tena toerana famelezan'ity jiolahy ity ny mpandalo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Alarobia - Atolotra ny Fampanoavana ireo namoaka entana. Anio, raha tsy misy ny fiovana, no atolotra ny Fampanoavana eny Anosy ireo olona tratra tamin'ny famakiana magazaina minisitera ka nangalatra an'ireo fanitso an-jatony notehirizina tao.
Ivato - Sinoa lahy namono mpiasa. Tafapaka eny anivon'ny zandary ankehitriny ny raharahan'ilay sinoa lahy nidaroka mpiasa teny Ivato. Ireny vy be ireny no nikapohany an'ity mpiasany ity. Nitory ity farany ary dia izao mandeha izao ny famotorana.
Tafika - Nahavoly zanakazo 8 170 fototra. Zanakazo jatropha sy kahya miisa 8 170 fototra no indray novolen'ny Tafika malagasy teny amin'ny Toby miaramila teny Tsimahabeomby Imerintsoatosika, ny asabotsy sy alahady teo, izay notarihin'ny lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika, Razafindralambo Rivo Hanitra.
Nangonin'i




Au Krypton (2)
Samedi 19 janvier 2008
Pazzapa à l'Afindrafindrao.




Au Krypton (3)
Samedi 19 janvier 2008
Christian à l'animation.




Au Krypton (4)
Samedi 19 janvier 2008
Le grand gâteau, incontournable.




Andrainarivo
Tovolahy inefatra notanana am-ponja
Faninefany izao no nidiran'ity tovolahy ity ny fonja teny Antanimora. Resaka halatra ihany no nahatrarana azy ka nihazonana azy teny.
Tonga amin'ny fitenenana hoe tsy laitran'ny balan'ny fananarana tokoa raha ity tovolahy iray nentin'ny zandary natolotra ny Fampanoavana teny Anosy, omaly maraina ity. Faninefany mantsy izao ny anao lahy, raha ny fanazavana azo, no tratra nangalatra ka nentina teny amin'ny Fampanoavana teny Anosy.
Tsy vitan'izany fa dia notanana am-ponja teny Antanimora mihitsy. Tsy nisy tsy nahalala azy ny tao amin'ny Fampanoavana, omaly, hatramin'ireo gadra manao asa ivelan'ny fonja tao amin'ny Fampanoavana tao. Izany hoe rehefa mivoaka ny fonja izany ranamana, na afaka amin'ny fiampangana azy, na nahavita sazy dia « 'ndao ! » manao ny fanao ratsiny ihany.
Ireny halatra madinika ireny, raha ny voalaza, no tena fanaon'ity tovolahy ity ary indroa izy no tratra tamin'izany, ny zoma teo.
Fiaran'olona nipetraka teo amin'ny fiantsonany, teny amin'iny faritr'Andrainarivo iny, no nopetahany tamin'io andro io. Fiara 4x4 ana manamboninahitra ny iray. Novakiany ity fiara ity ary noendahiny tao ny kojakoja mikasika ny freins-n'ilay fiaran'olona.
Dia iny ny anao lahy no lasa namonjy an'Ambodivona nivarotra azy. Mitentina any amin'ny 1,5 tapitrisa ariary, araka ny voalaza, ny vidin'ilay kojakojam-piara nangalariny. Nefa dia 7 000 ariary no namarotany azy teny Ambodivona, tamin'olona mandalo.
Tsy nijanona teo ranamana, satria tsy nisy nahita ary tsy tratra, dia lasa indray namaky fiaran'olona iray hafa. Fiara 4L nipetraka teo indray no nasiany. Carburateur kosa indray no nangalariny tamin'ity fiara ity. Ary teo izy no noraisina satria tratry ny olona teny an-toerana ambodiomby mihitsy. Tonga dia namahanan'ny olona tamin'ilay fiara 4x4 vao avy nisy namaky tamin'io andro io.
Inona tokoa fa rehefa nandeha ny fanadihadiana azy dia nivaky tokoa izy fa izy ihany no nanao azy. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, izy dia izao notanana vonjimaika eny Antanimora izao indray.




Anosizato
Jiolahy voasambotra nanafika orinasa
Noraisim-potsiny tao amin'ilay orinasa mpamongady friperie teny Anosizato, ny asabotsy teo, ny iray tamin'ireo jiolahy nanafika. Telolahy izy no indray tonga teny an-toerana, efa nanapitsoka ny vavahady be, fidirana tao amin'ilay orinasa. Saingy nikorontana ireo barika teo anoloan'ilay vavahady ka taitra ny mpiambina.
Avy hatrany izy ireo dia niantso ny tompon'ny orinasa sy nampandre ny mpitandro ny filaminana, ka tratra ambodiomby teo ny iray.
Natao ny fisavana an-dranamana ka karazana fitaovam-piadiana sy fitaovana samihafa famakian-trano no indray hita teny aminy.
Manindroa
Efa fanindroany izao no nikasan'ireto jiolahy ireto hamaky an'ity orinasa mpamongady friperie teny
Anosizato ity. Saingy tsy tanteraka hatrany. Tamin'iny herinandro lasa teo iny ny voalohany. Dimy lahy ireo jiolahy tamin'izay, ary efa tafiditra tao anatin'ny faritry ny orinasa mihitsy ny telo.
Nitondra basy lava toy ny kalachnikov izy ireo tamin'izay. Saingy notairin'ny alarme naneno tao anatin'ny orinasa ry zalahy ka tsy nahavita na dia ny nampiasa an'ilay fitaovam-piadiana teny an-tanany akory aza.
Tsy nisy tratra izany ry zalahy teo, fa nandamoaka ny tetika ary dia izao niverina izao. Kanjo antambo no hita satria teo ny iray no noraisina. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ranamana. Eo am-pikarohana ireo namany efa-dahy kosa ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.




Amboanjobe
Raim-pianakaviana tratra nampirafy
Tsy nahetsika tao anaty fiarany, ny asabotsy hariva teo, teny amin'iny faritr'Amboanjobe iny, ilay raim-pianakaviana iray tratry ny vadiny teo am-pampirafesana. Avy nandevina tamin'iny faritra iny ilay renim-pianakaviana tamin'io fotoana io, tsy nanampo na inona na inona, no nifanehatra tampoka tamin'ity vadiny niaraka tamina tovovavy hafa.
Notratrariny ary dia sarona teny an-toerana. Teo no ho eo hany izy dia niantso polisy ary ireto farany no nitondra « azy roa kely » namonjy ny biraon'ny polisy. Raha ny fanazavan'ity renim-pianakaviana dia tsy indray mandeha ity vadiny ity no tratrany tamin'izao fihetsika izao. Saingy nandefitra izy. Nosoritany tamin'izany ny fiovana teo amin'ny fihetsiky ny vadiny tato ho ato, toy ny tsy fodiana an-trano, hatramin'ny fametrahana an-tsokosoko ny taratasy fangataham-pisaraham-panambadiana tany amin'ny fitsarana.
Anio ny raharaha no atolotra ny Fampanoavana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ambohidahy - Mpandalo roa maty nianjeran'ny hazo. Mpandalo roa, lehilahy iray tokony ho 35 taona sy vehivavy iray manodidina ny 30 taona, no indray namoy ny ainy teny Ambohidahy, omaly tolakandro, raha nianjeran'ny hazo. Teo an-tampon-dohany izy ireo no voa, ka dia naratra be vokatr'izany ny lohany. Nijininika, araka izany, ny rà. Ny mpamonjy voina moa avy eo no tonga nanapaka ilay hazo teny an-toerana.
Brickaville - Olona roa maty notrongisin'ny fiara. Lehilahy roa no indray namoy ny ainy raha notrongisin'ny fiara 4x4 ana-orinasa mpanamboatra làlana tany Brickaville, ny zoma hifoha asabotsy teo. Ny iray, tovolahy monina ao an-toerana, maty tsy tra-drano, fa ilay faharoa kosa tany amin'ny hopitaly vao namoy ny ainy. Nisy kamiao semi-remorque moa teo alohan'ilay 4x4, ka voatery teo anelanelany ireto olona.
Mahajanga - Lasantsy 130 litatra saron'ny zandary . Tao an-tranona mpiambina iray tany Mahajanga, tsy lavitra ny seranan-tsambo, no nahatraran'ny zandary lasantsy 130 litatra eo. Nosavaina ny trano ka tao no nahitana ireo jerricans maro nisy ny lasantsy. Olona efatra no indray vosambotra mikasika ity raharaha ity, rehefa nandeha ny fanadihadiana.
Ambohidratrimo - Lehilahy dobo an-drano tao Ikopa. Fatin-dehilahy iray no hitan'ny fokonolona natsinkafon'ny rano tamin'iny reniranon'Ikopa iny, ny alahady teo, tao Andranomiharana Ambohibao. Tsy lavitra ny toerana fanariam-pako eny amin'iny faritra iny no nahitana ny razana. Tsy nahitana ratra teny aminy na kely aza. Tsy nisy taratasy mety nahafantarana azy ihany koa. Noho ny fahasimban'ny razana dia nalevin'ny fokonolona ao an-toerana izy.
Nangonin'i




Fahaleovantena
NASOLO-VALIAVO Andriamihaja
Dimampolo taona lasa tokoa amin'ity taona 2008 ity ilay Kongresy niresahana ny Fahaleovantena ho an'i Madagasikara. Taon-jobily, roambinifolo volana hitanisana ny «Fahaleovantena» sy hamerenana am-pon'ny tsirairay, indrindra ny taranaka ankehitriny, ny adidy aman'andraikitry ny hoe «Fiandrianampirenena».
Miverina indray mamaky ny Firaketana aho. Saingy tsy Andrianampoinimerina na Ranavalona Reniny na Rainilaiarivony no zahako ity indray mitoraka ity fa ny «Fitarihanteny» tsy dia misy mpamaky ary mazàna voadingana tsotra izao. «Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy» mantsy no tena anaran'ny boky natomboka tamin'ny 1937 ary mbola tsy tongantsika taranaka amin'ny litera «Z», fitopolo taona aty aoriana. Io Teny io, miaraka amin'ny Tantara sy ny Fomba, no toko telon'ny Kolontsaina hany hampiavaka antsika amin'ny firenena hafa rehetra eran-tany. «Manao ahoana ny toe-tsain'ny Malagasy ? Fantaro amin'ny fiteniny. Inona avy no voadiniky ny Malagasy amin'ny zavaboary sy ny manodidina azy ? Fotory amin'ny fiteniny. Inona no tena fivavahana nananan'ny Malagasy voalohany ? Karohy amin' ny fiteniny. Toa inona ny fitsipi-piainana sy ny lalàm-pitondrantenan' ny Malagasy ? Anontanio ny fiteniny. Nanao ahoana ny fiainam-bahoaka sy ny fitondram-panjakan'ny razana ? Fakafakao amin'ny fiteniny».
Tamin'ireo nikarakara ny «Fiainana» sy «Firaketana» dia Ravelojaona Mpitandrina (1879-1956) no fantatra indrindra. Namaky lay ny asan'ny depiote Ravoahangy sy Raseta izay nametraka tany amin'ny Antenimiera frantsay ilay volavolan-dalàna hamerenana ny Fahaleovantenan'i Madagasikara (1946). Nodimbiasan-dry Rakoto-Ratsimamanga sy ny AEOM. «Soliky ny fahavanonana» hoy ny Firaketana na dia voadison'ny idelojia marksista sy ny Boky Mena (1975) aza ireo fikasana fehezin'ny teny tokana hoe Fahaleovantena.
Tokony ho saro-piaro fatratra amin'ny Fahaleovantena isika ary hitaiza ny taranaka fara aman-dimby amin'ny hasin'ny Fiandrianampirenena. Aza adino hono hoe fa natao takalo Zanzibar sy Madagasikara tamin'ny 1890 ka nahaloa-bolana ny Razana hoe «Vazaha mody miady». Ataovy ohatra hono hoe ny Japoney izay nandrandrain-dRavelojaona tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha roapolo. Tsy ny fanaovana gaboraraka ny hambom-po no ho entintsika hiatrika ny fifaninana iraisam-pirenena. Ny varo-boba anio hovidian-dafo ao afara. Tsy ho trosa fotsiny fa latsa mihitsy, hamarotan-tanindrazana ambongadiny.
«An'ny tena ny fiteny malagasy ka fanandriana» hoy ihany ny Firaketana mindrana ny ohabolan'ny Ntaolo : «Izay tsy manaja hita lava ahoriana». Aoka isika tsy hihinana amam-bolony ny kabary «politiquement correct» marimaritra iraisan'ny firenena matanjaka, ka hanaran-driandrano fotsiny ny «Teny baiko» omen'ireo mpamatsy vola izay tsy sanatria manome maimaim-poana fa mampanjanaka. Mba ho vahoaka antarafijery ka hanandratra olom-panjakana manana hazondamosina, ho «fanandriana» tokoa.




Andasibe
Tovovavy novonoina tamin'ny habibiana
Sady nanaovana herisetra no nosorana maloto ilay tovovavy hita faty tany Andasibe, ny alatsinainy teo. Natsipy tany anaty dobo ny fatiny avy eo.
Habibiana mahatsiravina no nentina namonoana an'ity tovovavy kely iray tany Andasibe avaratra, ny 21 janoary teo. Raha ny vaovao voaray mantsy, dia tsy vitan'ny nampiasàna herisetra fotsiny izy, izany hoe nodarohana satria nahitàna faritra mangana teo amin'ny takolany havanana ary nivoa-drà ny vavany, fa nohosorana diky mihitsy.
Tao amin'ny lavak'orony, nahitàna zavatra fotsifotsy nivoaka. Tsy fantatra, araka izany, na mbola niharan'ny fanolanana ihany koa ilay tovovavy na tsia, fa dia efa mandeha moa ny fitiliana sy ny fanadihadiana ataon'ny zandary sy ny mpitsabo, ka aleo izay no hamaritra azy.
Tao anaty dobo, tao Bekena, no nahitàna ny razana, ka ny fokonolona tany an-toerana no nahita azy. Raha ny fanamarihana nataon'ny mpitsabo dia novonoina tany an-tanety ity tovovavy ity vao natsipy tao anaty rano, ary teo amin'ny roa andro teo no nanipazana azy tao anaty rano. Roa andro teo ihany koa, raha ny fanazavan azo tany an-toerana, no tsy nahitàn'ny ray aman-dreniny azy intsony, dia izao izy hita maty tao anaty dobo izao.




Raharaha Antsalovana
Olona dimy atolotra ny Fampanoavana
Atolotra ny Fampanoavana anio ilay lehilahy iray azon'ny polisin'ny Gir (Groupe d'intervention rapide) teny Tsaralalàna, ny zoma 11 janoary teo. Resaka asan-jiolahy no nisamborana azy tamin'iny raharaha iny. Nefa, araka ny efa nanambaràna azy teto, dia anisan' ny voasaringotra tamin'ilay fanafihana ny paositry ny polisy teny Antsalovana ihany koa ny lehilahy. Nahafatesana polisy roa lahy sy nahaverezana basim-panjakana roa izany fanafihana izany, ankoatra ny fisian'ilay sivily iray naratra .




Ankazobe
Fiara 4x4 nirehitra
Kila forehitra tsy nisy noraisina, ny faran'ny herinandro teo, ilay fiara 4x4 nodedahan'ny afo tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny. Tao Beronono Ankazobe, izany hoe 4 km tsy hidirana an'Ankazobe, no nisehoan'ny loza.
Vazaha telo mianaka izy no tao anatiny, ary avotra soa aman-tsara satria tafavoaka ny fiara avokoa. Ny entana no tsy nisy tafavoaka, fa dia may kila tao anatiny niaraka tamin'ny fiara.Tsy fantatra mazava izay zava-niseho tamin'ilay fiara, fa nisy aloha ny fahasamponana ara-teknika teo aminy. Avy tany Mahajanga, handeha hitodi-doha hiakatra ho aty an-drenivohitra indrindra ireto vazaha ireto izao tratry ny loza tampoka izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Sambatra - Nidina any Mananjary ny manam-pahefana. Re izao fa nidina any Mananjary mihitsy, nanadihady ifotony momba ilay raharaha nahafaty an'ireo olona efatra tany an-toerana nandritra ny lanonana famaranana ny «Sambatra», ny manampahefana tompon'andraikitry ny filaminana. Handeha, araka izany, ny famotorana.
Miarinarivo - Renim-pianakaviana voadonan'ny fiara. Naratra mafy ilay renim-pianakaviana nodonin'ny fiara R12 tao Ambohidranomanga, Ambatomirahavavy, tamin'iny lalam-pirenena voalohany, ny alatsinainy hariva teo. Avy niala fiara mpitatitra ity renim-pianakaviana ity no nofaohin'ilay fiara.
Nangonin'i




Analavory
Olona 4 tratra nivaro-drongony
Foto-drongony miisa 47 no indray tratra teny amina tantsaha efatra tany Analavory, ny alatsinainy teo. Sady mamboly izy ireo no mivarotra, ary tratra ny vola azony tamin'izany.
Manjaka sy manao izay tiany hatao mihitsy ny mpanao aferana zava-mahadomelina any amin'ny faritra ambanivohitra any. Sady mamboly no mivarotra. Tany amin'iny faritra Analavory iny izao dia rongony miisa 47 fototra, milanja 165 kg, no indray saron'ny zandary.
Efa lehibebe ihany ireto foto-drongony ireto, raha ny fanazavana azo tany an-toerana. Efa azo nakana raviny. Ny sasany aza efa nisy voany. Ary izay indrindra no tena zava-doza satria sady nivarotra ny tompony no namboly. Olona efatra izy no voalaza fa tompo-marika tamin'izao raharaha izao.
Eny amin'ny voly eny an-tsaha no ambolen'izy ireo rongony. Ny tsy fantany anefa, haingam-mpitombo izy ireny ka mora tazana, ary izay no nahamarika ny mponina teo an-tanàna.
Nisy, araka izany, ny fiaraha-miasan'ny fokonolona tamin'ireo mpitandro ny filaminana. Ka dia natao ny fitsirihana. Ankoatra ny fahatrarana ireo foto-drongony teny an-tsaha dia lelavola, izay voalaza fa vidina rongony mitentina 10 110 ariary, no hita tao amin'izy ireo. Avy hatrany dia nogiazan'ireto mpitandro ny filaminana ireo vola ireo mba ho entina hatao porofo eo anatrehan'ny fitsarana.
Mbola nahatrarana
paraky gasy ihany koa tao amin'ireto olona ireto. 5 kg ny lanjany. Raha ny fanazavana azo dia mody ity fivarotana paraky gasy ity no entin'izy ireo hanarian-dia ny manodidina. Nefa ny varo-drongony no tena ao ambadika. Ary saika ireo tanora no tena roboka manatona azy ireo. Amidiny amin'ireny fonosana kely ireny moa ny ravin'izy ireo ka 100 ariary na 200 ariary eo dia mahazo.
Ny alatsinainy teo moa izy ireo no saron'ny zandary ka natolotra ny Fampanoavana, omaly, tao Miarinarivo.




Asan-jiolahy
Dimy lahy notanana eny Tsiafahy
Dimy lahy tamin'ireo 11 natolotra ny Fampanoavana, omaly, no notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, omaly. Voarohirohy amin'ny asan-jiolahy.
Lehilahy sivy ary vehivavy roa no indray nentina natolotra ny Fampanoavana omaly, voarohirohy amin'ny asan-jiolahy mahery vaika eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin'ity raharaha ity ilay lehilahy nosamborin'ny Gir (Groupe d'intervention rapide) teny Tsaralalana, ny alatsinainy 14 janoary teo, izay voalazan'ny polisy fa naman-dry Tiana Masiso maty voatifitra tamin'iny andro iny ihany ary nihaodihaody teny an-toerana ka nampiahiahy.
Ankoatra iny raharaha iny dia anisan'ny nanadihadiana an'ity lehilahy ity ihany koa ny mikasika an'ilay fanafihana ny paositry ny polisy teny Antsalovana, ka nahafaty an'ireo polisy roalahy sy nampaharatra sivily iray teny an-toerana, ny alin'io alatsinainy io ihany. Araka ireny efa voalaza teto ireny mantsy dia manahy ireo polisy ny amin'ny mety hisian'ny fifandraisan'iny raharaha iny tamin'ny fitifirana an-dry Tiana Masiso teny Tsaralalana. Ary dia nirarak'ompana, araka izany, ny fisamborana izay olona rehetra heverina fa mety ho nahavita iny habibiana iny. Niainga tamin'ny fanadihadiana ireo olona akaiky an'i Tiana Masiso ...
In-telo miantoana ny polisy no nanao fisamborana teny amin'iny faritra manodidina an'Antsalovana, tonga hatrany Itaosy, Sabotsy Namehana ... Olona maherin'ny 20 teo no indray nofotorana ary rehefa tonga ny fanolorana azy ny Fampanoavana dia 11 no tena natolotra. Misy amin'izy ireo ny efa tena jiolahy kalaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana sy namana akaiky an'i Tiana Masiso. Ny sasany aza dia efa avy nigadra teny amin'ny fonjan'i Tsiafahy mihitsy. Voalaza anefa fa dia samy nilaza ho tsy mahafantatra no sady tsy nanao an'iny fanafihana ny paositry ny polisy iny avokoa izy rehetra ireo.
Tokony ho tamin'ny 11 ora teo izy ireo no nentina teny amin'ny Fampanoavana, omaly. Niakatra avy hatrany tao amin'ny mpitsara mpanao famotorana ary rehefa nivoaka ny didy dia ny dimy no notanana any am-ponjan'i Tsiafahy, fa ny sisa rehetra kosa nahazo fahafahana vonjimaika.




Fivondronam-ben'ny tantsaha
Mamaritra drafitr'asa ny tantsaha
Nanao dinik'asa namaritana ny drafitra ho tanterahina mandritra ny dimy taona (2008-2012) teny amin'ny hotely La Rotonde teny Besarety, nandritra ny roa andro ny filankevi-pitantanan' ny Fekritama, na ny fivondronam-ben'ny tantsaha eto Madagasikara. Nifarana omaly izany. Ao anatin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'izany ny minisiteran'ny Fambolena, ny mpamatsy vola, ny fikambanana miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana.
«Tsy misy afa-tsy ny fampiroboroboana ny asan'ny tantsaha, na eo amin'ny lafiny fambolena na fiompiana, no ventin'ny lohahevitra nodinihina tamin'izany, ary izay rahateo ihany koa no tanjon' ny Fekritama», hoy ny komity mpitantana ao aminy, Rasamimoratsiahiana Henri.
Eo ihany koa anefa, anisan'ny nodinihina, ny
fanatanterahana ny paik'ady izay napetraky ny fanjakana amin'izao fotoana izao, araka ny voafaritra ao anatin'ny Map, dia ny fihariana mitodika amin'ny tsena, ny fiatrehana ny tontolo maitso sy maharitra, ny fametrahana ivo toerana ifaneraserana ara-barotra, ny ady amin'ny kolikoly sy ny sida.




Itaosy
Ankizivavy notetezin'ny kodiarana
Maty tsy tra-drano ilay ankizivavy kely niharan-dozam-pifamoivoizana, voahitsaky ny kamiao teny Behenjy Itaosy, omaly. Handeha hiampita arabe indrindra izy izany tratry ny loza izany. Niaraka tamin-dreniny izy, saingy asa izay nanjo azy tao fa tonga izy dia nandeha. Tsy voatanan-dreniny.
Nofaohin'ilay kamiao izy aloha ary nianjera ka tafiditra tao ambany kodiarana nony avy eo. Dia voahitsaka tao. Tsy nisy azo natao intsony. Ilay mpamilin'ity kamiao rahateo tsy nanampo ny fihetsiny.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mananjary - Olona 27 voasambotra. Nisy sahady ny vokatra taorian'ny fidinan'ireo tompon'andraikitry ny filaminana tamin'ilay raharaha vonoan'olona nitranga tany Mananjary nandritra ny lanonana famaranana ny fetin'ny Sambatra, ny asabotsy. Olona 27 no indray nosamborina. Tao amin'ny tanànan'Ambohitsara avokoa ny ankamaroan'izy ireo, ary tonga dia nentina namonjy an'i Mananjary hofotorana.
Ambohidratrimo - 11 naratran'ny lozam-pifamoivoizana. Nifandona teny amin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, tao Anosiala Ambohidratrimo, omaly maraina, ny fiara mpitatitr'olona «Mazda» iray sy fiara 4x4. Vokany, olona 11 no indray naratra ka nentina avy hatrany tany amin'ny hopitaly. Tsy dia goavana moa ny faharatràn'izy ireo ka afaka nalefa nody daholo izy rehetra taorian'ny fizahan'ny mpitsabo. Tao anaty fiolahana no nisehoan'ny loza.
Ankazobe - Natao vakisiny faobe ny omby. Taorian'ny nitrangan'ny aretin'omby hafahafa tao Ankazobe, ka nahafaty ireo omby efa maromaro, dia nandray fepetra ireo mpitsabo biby any an-toerana ka nanao ny vakisiny faobe ny biby fiompy. Noperana ihany koa ireo mpiompy mba hanokana ny biby marary ary ny mpivarotra tsy hivarotra ny hen'omby amin'izay faritra nahitàna soritr'aretina, indrindra izay hen'omby tsy nandalo fitiliana.
Nangonin'i




Analamahitsy
Mpangalatra fiara gaigilahy tratra
Matetika no nahatrarana azy tamin'ny halatra fiara. Voasambotry ny polisy ny alarobia teo ity jiolahy iray raha nikasa hivarotra ilay fiaran'olona niasàny.
Saron'ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy indray, teny Andrainarivo, ny alarobia teo, ity lehilahy iray kalaza amin'ny fangalarana fiara. Fiaran'olona, Renault Espace, niasany teny Analamahitsy, ny alatsinainy teo, no nentiny namidy antsokosoko tamin'olona avy eny Ilafy eny.
« Efa vitany daholo toy ireny tena izy ireny ny taratasy fifampivarotana rehetra. Ny fanamarinam-ponenana, ny dika mitovy amin'ny kara-panondrom-pirenena ary ny sary sy ny anaran'ilay raim-pianakaviana tompon'ny fiara no nampiasainy », hoy ity renim-pianakaviana tompon'ny fiara, nitantara ny fandehan-draharaha rehetra.
« Hatramin'ny nomeraon'ny fiara avy efa voaovany. Rehefa dinihina dia tena efa tetika maty paika sy nomanina mihitsy ny azy », hoy ihany izy. Nomarihiny fa vao tapa-bolana izay no niasany tao amin'ity tompon'ny fiara ity. Manatitra mpianatra no asany isan'andro, ary mody tonga ara-potoana tao an-trano izy talohan'izay tapabolana izay. Fa tamin'io andro io izy no tsy tonga intsony ka teo ireto tompon'ny fiara vao mahina.
Ny mahavariana anefa dia izy indray avy eo no nanafatra tamin'ny alalan'ny finday an'ireo tompon'ny fiara, nilaza fa tsy afaka ny hitondra an'ilay fiara intsony. Ary dia nasainy nandeha teny Ilafy ireo tompony hijery an'ilay fiara. Iny tokoa ilay izy, rehefa nandehanana teny, saingy efa olon-kafa no nitondra azy. Nentin'olona dimy lahy ka na nosakanana aza tsy nijanona. « Soa fa efa nametra-pitarainana teny anivon'ny polisy sy ny zandary rehetra izahay, ka ny barazy nataon'ny zandary tao Sabotsy Namehana , ny alarobia maraina, no nahatrarana ny fiara », hoy ilay ramatoa. Dia nanaraka avy teo ny fisamborana an'ity jiolahy ity.
3 tapitrisa ariary no voalaza fa namarotany an'ilay fiaran'olona, ary efa azony avokoa ny vola rehetra. « Raha tara kely foana izahay dia efa saika lafon'ilay nividy azy ihany koa ilay fiara. Efa nisy olon-kafa nikasa hividy azy koa tao aminy », hoy ihany ity renim-pianakaviana tompon'ny fiara.
Omaly moa ranamana no natolotra ny Fampanoavana tao Anosy. Nanamarika ireo polisy nanao famotorana
azy fa tena kalaza amin'ny halatra fiara raha ity lehilahy ity, ary efa voasambotra matetika.




Andrefan'i Mananjara
Raim-pianakaviana notifirin'ny jiolahy
Gorobaky ny bala nanaovan'ireo jiolahy azy ny kibon'ilay raim-pianakaviana mpivarotra iray teny Andrefan'i Mananjara, ny alarobia alina teo. Sady mpivarotra enta-madinika no mpivaro-java-pisotro misy alikaola ity raim-pianakaviana ity, ka matetika no mivoha amin'ny alina. Tamin'izay indrindra no nanararaotan'ireo jiolahy nanafihana azy.
9 lahy ireo mpanafika, tsy niafin'endrika ary nitondra basy poleta. Ilay raim-pianakaviana tamin'io no tao am-pivarotana, ary tena notetehin'izy ireo hovonoina satria tonga dia notofiriny raha vao niditra ny fivarotana izy. Nitolefika ilay mpivarotra ary tonga dia noraofin'izy ireo ny vola tao an-tsena izay nahatratra 1 200 000 ariary teo.




Vonoan'olona
Nohazonin'ny polisy ny vadin'ilay talena minisitera
Mbola mitana ny sain'ny maro ihany aloha hatramin'izao ny famonoana an'ilay tale iray eo anivon'ny minisiteran'ny
Atitany, Jules Antoine Aurélien Cécilien. Hita teny Ambohimahitsy afak'omaly hariva moa ny vatana mangatsiakan'ity lehilahy ity.
Fantatra ary izao, araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny sampana fifandraisana eo anivon'ny polisim-pirenena, fa ny vadin'ity tale ity ihany no ati-doha nikotrika ny famonoana an'i Jules Antoine Cécilien. Dia ny vadiny izay niterahany dimy.
Raha ny voalazan'ity vadiny, araka ny voasoratra tao anatin'ilay fanambarana, dia noho ny tsy fahitany fiadanana teo amin'ny fiainan-tokantranony no nahatonga azy ho nanao izao famonoana izao.
Famonoana feno habibiana
Lehilahy roa no nokaramainy tamin'izany, ka nomeny vola roa tapitrisa ariary. Ny alin'ny 10 oktobra teo no natao ny
famonoana. Natory teo am-pandriana ity tale ity tamin'io, ary teo no novelesin'ireto mpamono. Novelesiny tamin'ny
maritoa sy nokapohany tamin'ny kobay. Ilay ramatoa vadiny avy eo no namarana ny famonoana tamin'ny daroka isan-
karazany.
Rehefa maty ilay tale vao notapatapahina ka nentina nalevina teny Ambohimahitsy, toerana nanitrihany azy. Fiarakaretsaka telo no voalaza fa nandehanana vao tonga teny an-toerana.
Ity vadiny ity sy lehilahy iray antsoina hoe Rodolphe ihany aloha hatramin'izao no voasambotry ny polisy, fa ny iray tsy mbola tratra. Voalaza fa dia samy niaiky ny heloka nataony avokoa izy ireo.
Omaly tolakandro ihany ny nofo mangatsiakan'ity manam-pahefana ity no nentina namonjy ny fasan-drazany any Antsiranana, rehefa avy natao veloma farany teny amin'ny Chapelle militaire teny Ampahibe. Nomena mariboninahitra farany koa izy teny amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha.




Elections régionales
Les conseillers détiennent un pouvoir ambigu
L'élection des membres du conseil régional, le 16 mars prochain, relance le débat sur le rôle de cet organe délibérant. Le processus de décentralisation est, en tout cas, remis en selle.
Pour la cinquième fois en l'espace de 16 mois, les électeurs sont appelés aux urnes. Mais depuis 2004, c'est la première fois que les citoyens sont convoqués pour choisir les membres d'une des structures décentralisées.
Le conseil régional constitue l'organe délibérant des régions. C'est une sorte de «parlement régional», c'est-à-dire une assemblée de décision au niveau local.
Mais il reste à expliciter les textes sur ses compétences. Si le décret d'application de la loi sur les régions consacrent 16 articles au chef de région, un seul concerne le conseil régional.
Le texte stipule que «le Comité régional (organe de transition du conseil régional) délibère sur les recettes et dépenses prévues par les lois et règlements». Il règle par ses délibérations les affaires dévolues par la loi à sa compétence.
Mais la loi évoquée n'est pas encore publiée. L'absence de texte clair concernant les pouvoirs de l'organe délibérant de la région, ainsi que ses relations avec l'Exécutif régional, risquent de créer des situations délicates.
Ainsi, elle prévoit l'engagement de la responsabilité politique du chef de région devant l'organe délibérant de la région. Mais aucun texte ne prévoit la procédure y afférente. Le problème tend à se compliquer, dans la mesure où le chef de région est à la fois à la tête de la collectivité territoriale décentralisée et représentant de l'Etat dans la circonscription.
En vue des sénatoriales
En tout cas, le fonctionnement et les attributions du conseil régional diffèrent de ceux du conseil provincial de l'époque des provinces autonomes. Cette dernière assemblée, émanant du principe de l'autonomie, avait le pouvoir de légiférer. Après la révision de la Constitution d'avril 2006, le gouvernement a opté pour un retour à la décentralisation.
L'élection des conseillers régionaux devait se dérouler en même temps que celle des chefs de région, comme pour le conseil communal et le maire. Mais la Constitution a donné trente mois au gouvernement pour désigner les chefs de région. Et la tenue des élections régionales a, entre autres, été dictée par des contraintes.
D'ailleurs, le premier ministre Charles Rabemananjara a été clair sur le sujet. L'obligation de renouveler les membres du Sénat avant le mois de mai impose au gouvernement l'organisation des régionales au plus tôt. Car les conseillers régionaux font partie des grands électeurs pour les sénatoriales.
Encadrés
Deux sessions annuelles
Le conseil régional se réunit en session ordinaire deux fois par an. La première, au cours de la première quinzaine de mars, est consacrée au bilan de l'année écoulée. C'est le moment d'établir les programmes d'actions pour l'exercice en cours.
La deuxième session ordinaire est prévue pendant la deuxième quinzaine d'août. Elle est dédiée à l'examen et à l'adoption du budget de l'année suivante.
Le conseil régional peut être convoqué en session extraordinaire.
Un nombre minimal de membres
Comme pour l'Assemblée nationale, le gouvernement a réduit le nombre des membres du conseil régional par rapport à celui de l'organe transitoire, le comité régional. Au total, 147 conseillers régionaux seront à élire pour tout le territoire national.
Les sièges à pourvoir, pour un mandat de cinq ans renouvelable, sont répartis à raison de cinq à 14 conseillers pour chacune des 22 régions.
Analamanga détient la palme avec 14 sièges, contre 160 dans son actuel comité régional. La Commune urbaine d'Antananarivo comptera cinq conseillers, contre 12 députés lors des législatives.
Dans d'autres régions, comme le Sava ou encore l'Ihorombe, le nombre de conseillers à élire est minimal. Diana bénéficie de six sièges, tandis que Vatovavy Fitovinany est dotée de sept.
Le gouvernement évoque le critère économique pour définir le nombre des conseillers. Le premier ministre Charles Rabemananjara a également laissé entendre que la pléthore ne signifie pas forcément efficacité.
Outre les membres élus, le conseil régional comptera également d'autres membres. Les députés et les sénateurs grossiront les rangs de l'organe délibérant de la région. Ils sont membres de droit du «parlement régional».
Mais les parlementaires ne se trouvent pas sur un même pied d'égalité. Tout comme les conseillers élus, les députés bénéficient de voix délibérative. Par contre, les sénateurs ne détiennent que des voix consultatives lors de la séance de vote au conseil régional.
Répartition des sièges par région
- Analamanga : 14
- Bongolava : 5
- Itasy : 5
- Vakinankaratra : 8
- Diana : 6
- Sava : 5
- Amoron'i Mania : 5
- Atsimo atsinanana : 6
- Matsiatra ambony : 8
- Ihorombe : 5
- Vatovavy Fitovinany : 7
- Betsiboka : 5
- Boeny : 7
- Melaky : 6
- Sofia : 8
- Alaotra Mangoro : 6
- Analanjirofo : 7
- Atsinanana: 8
- Androy : 5
- Anosy : 5
- Atsimo andrefana : 10
- Menabe : 6





67 HA
Polisy voaambana basy kitoatoa
Basy norafetina tamin'ny fantson-drano sy plastika no nentin'ireto jiolahy nampihorohoro polisy iray teny amin'ny 67 ha. Soa fa tsikariny ihany ny maha-kitoatoa an'ilay basy.
Efa an-tenda ny ain'ity polisy lahy iray sendra jiolahy ka voaambana basy kitoatoa, teny amin'ny 67 ha, ny zoma alina teo, tokony ho tany amin'ny 8 ora tany. Avy niala fiara mpitatitra handeha hamonjy birao ao amin'ny kaomisaria, any amin'ny 67 ha, ity polisy tamin'izay ary fanamiana sivily no nanaovany.
«Teo amin'ny tendako avy hatrany no natohok'ilay jiolahy ilay loham-basy, hoy ity polisy. Dia nobetrohany aho. Sady toran-kovitra aho no nanangan-tanana. Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hoe ho faty, » Nosoritany fa tsy nisy nahafantarany azy hoe basy kitoatoa mihitsy na dia kely aza.
Teo am-panambanana azy iny ilay jiolahy, no sendra tazany tampoka tamin' ny lavaka teo amin'ilay «basy» ny taratry ny jiron' ny fiara teny amin'ny arabe. Ary teo izy vao nahafantatra fa tsy tena basy ity nandrahonana azy ity.
Hay tokoa ilay izy ka norafetina tamin'ireny fantson-drano plastika fivarinan'ny rano maloto sy ireny fantson-drano kely mitarika ny rano miditra ao an-trano ireny. Fingotra sy karazana «cellophane» avy eo no namatorana azy rehetra hitambatra. Mbola nasiany jiro kely (jiro-na «lampe de poche»). Toy ireny basy «mitrailleur» ireny no fijery azy raha maizina. Nambarany fa mbola tantara ihany koa ny fisamborany an-ilay lehilahy, satria nanao akanjo maro sosona izy ka isak'izay akanjo nihazonana azy dia voatsoaka. «Fanintelony tamin'ny akanjo nihazonako azy izy vao voatanako», hoy ingahy polisy. Natolotra ny Fampanoavana ny asabotsy teo ny anao lahy.





Fikambanan'ny vadin'ny zandary
Nandray fahefana i Lisy Raharijaona
Nihaona sy nifampiarahaba tratry ny taona, teny amin'ny Toby Ratsimandrava ny asabotsy teo, ny fikambanan'ny vadin'ny zandary eto an-drenivohitra. Tamin'io fotoana io ihany koa no nampitàna ny fahefana ho an'ny vadin'ny komandin'ny zandarimariam-pirenena vaovao, Lisy Raharijaona, izay hitantana indray ny fikambanana. Dihy sy fihetsiketsehana samihafa nandraisan'ireo vadin'ny zandary, avy amin' ireo toby samihafa misy eto an-drenivohitra, narahin' ny fiaraha-misakafo, no namaranana ny fotoana.




Vonoan'olona
Nilatsaka ho mpitory ny zanak'ilay tale
Notanana eny amin'ny fonjan'Antanimora ny vadin'Itpkl Cécilien Aurélien, ilay tale niandraikitra ny fanamarinana ny vola teo anivon'ny minisiteran'ny Ati-tany, izay maty novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ary hita faty teny Ambohimahitsy, ny alakamisy teo. I Rodolphe, ilay lehilahy voatana niaraka taminy kosa, nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy. Ny asabotsy teo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana eo Anosy.
Araka ny vaovao azo dia ny zanany vavy matoa no nilatsaka ho mpitory amin'ity raharaha ity. Izany hoe izy no misolo tena ireo mpiray tampo aminy sy ny fianakaviana. Izy, araka izany, no tonga teny amin'ny Fampanoavana, nohadihadiana, nanaraka ireo voarohirohy.
Nambaran'ireo zanany sy ny fianakaviana àry fa tsy miray amin'ny olona nahavita heloka izy ireo. «An'ny vadin'Itpkl samirery ny fanapahan-kevitra ka dia izy no mizaka ny vokany. Tsy misy idiranay mihitsy sady tsy fantatray rahateo izany», hoy ireto fianakaviany ireto.
Notsindrian'izy ireo ihany koa fa ilay tany nanafenana sy nandevenana an-tsokosoko ny nofo mangatsiakan' Ipkl Cécilien Aurélien, dia tsy an'ny rahavaviny velively, araka ny voalazan'ny gazety, fa tena azy mivady mihitsy ary novidiany.
Efa nisy trano kely niorina ela teo ary tamin'ny fotoana nanatanterahan'ny vadiny iny afera iny vao nitarina haingana hanafenana ilay lavaka nandevenana ny fatin'Ipkl Cécilien.
Mbola hiatrika ny mpitsara mpanao famotorana moa ireto voarohirohy ireto aoriana kely.




Anosibe
Mpivaro-bary voatsindron'antsy
Tsaboina any amin'ny hopitaly Hjra Ampefiloha, amin'izao fotoana izao, ilay raim-pianakaviana mpivaro-bary notafihin'ny jiolahy teny Anosibe, ny zoma alina teo. Teo amin'ny kibony mantsy izy no nasian'ireo mpanafika ny antsy. Lasany ny vola mitentina 400 000 ariary.




Vonoan'olona
Nentina nivezivezy ilay razana
Raha tsy afovoan-tanàna sy be mpandalo ny lakan-drano eny Antohomadinika sy Besarety, dia teny no nanarian'ireo namono azy an'Itpkl Cécilien Aurélien.
Voasambotra ihany koa ary notanana vonjimaika eny amin' ny fonjan'i Tsiafahy, nanaraka an'i Rodolphe, ilay lehilahy faharoa, Soloniaina Adrien na i Solo, voalaza fa nandray anjara tamin'ny famonoana an'ilay tale tao amin'ny minisiteran'ny Ati-tany, Cécilien Aurélien Jules Antoine.
Tao an-tranony teto an-drenivohitra i Soloniaina Adrien no voasambotra, araka ny vaovao nampitain' ny polisim-pirenena. Nitsoaka izy raha vantany vao nahare ny fipoiran'ny raharaha, nanomboka tamin'ny fotoana nahitàna ny razana teny Ambohimahitsy, ny alakamisy 24 janoary teo. Tsy niverina nody tao an-tranony izy raha tsy ny asabotsy. Ny vadiny mihitsy no nampandre ny polisy tamin'izany mba haka azy, ary dia tonga tokoa ny mpitandro ny filaminana nisambotra azy. Voalaza fa tsy nisy fanoherana nataony fa dia nanaraka mora foana ny polisy izy.
Notantarain' i Solo tamin' ireo mpanao famotorana avokoa ny tetika sy ny fanomanana rehetra tamin' ny famonoana an'ity talen' ny minisitera ity. Nanomboka tany amin'ny fifamotoanana tamin'ny vadin'Itompokolahy, ny namonoana azy, ny toerana hanariana ny razana, ka hatramin' ny fotoana farany nahatongavana teny Ambohimahitsy, toerana nandevenana azy an-tsokosoko.
Tamin'izany àry no nilazany fa hay ity tale ity tany am-boalohany tsy nokendrena halevina teny Ambohimahitsy, fa saika ariana tany amin'ny lakan-drano maloto teto an-drenivohitra. Tamin'iny lakan-dranon' Andriantany teny Antohomadinika iny no saika hanaovana azy tamin'ny voalohany, ary efa nandeha nijery teny izy roalahy mpamono niaraka tamin'ny vadin'Itompokolahy. Saingy tsy tanteraka satria afovoan-tanàna loatra ka sao tratra.
Dia lasa indray izy ireo nandeha teny amin'ny lakan-dranon'i Besarety ary teny tokoa no nitondrany ny razana rehefa avy novonoiny. Saingy tsy sahy tampoka satria be mpandeha loatra iny faritra iny. Tamin'izay no voalaza fa nahatsiarovan'ny vadin'Itpkl Cécilien tampoka an'ilay lavaka saika hanaovana lava-piringa eny amin'ny tranony eny Ambohimahitsy, ka nitondrana ny razana teny. Izay no nahatonga ny fivezivezena tamin'ny fiarakaretsaka intelo teto an-drenivohitra.
Nilaza i Solo, araka ny fanazavan'ny polisy ihany, fa izy no voalohany nidaroka ny maritoa ny lohan'ilay tale, ary i Rodolphe sy ny vadin'Itpkl Cécilien kosa no nanatontosa ny fandevenana teny Ambohimahitsy.




Gadra nitsoaka
Polisy roalahy fotorana ao Toliara
Polisy roalahy, misalotra ny giradin'ny «agent de police», miasa eto an-drenivohitra no naterina any Toliara, omaly. Raha ny vaovao azo teo anivon'ny manamboninahitry ny polisy iray, dia entina hatao famotorana any an-toerana izy ireto noho ny raharahan' ilay gadra iray, Vincent Ezoeny na i Gaga.
Baiko avy tamin'ny fitsarana any an-toerana amin' ny hanohizana ny famotorana (délégation judiciaire) mikasika ny raharahan' i Gaga, no nahatonga ny fakàna azy roalahy ireto tao amin'ny toeram-piasany ka haterina any Toliara. Marihina, araka ny vaovao azo, fa tena anisan'ireo jiolahy gaigilahy amin' ny fanafihana mitam-piadiana any an-toerana i Gaga.
Mbola tsy tratra i Gaga
Voalaza fa niasa tany Toliara ireto polisy roalahy ireto teo aloha. Saingy taorian'ireny raharahan'ny fandriampahalemana nafana vay tany an-toerana ireny, ka nisian'ny fanoloana ny polisy sasany tao Toliara, dia nafindra taty an-drenivohitra izy ireo. Ary izao entina any an-toerana izao indray hofotorana mikasika ny raharahan'ny jiolahy iray.
Manamboninahitra polisy miaraka amin'ny polisy tsotra, avy ao amin'ny sampana misahana ny ady amin'ny asan-jiolahy goavana (service anti-gang na Sag), no nandeha nanatitra azy ary niainga omaly, teto an-drenivohitra. Efa voasambotra ary efa notanana am-ponja tao Toliara moa i Gaga, saingy tafaporitsaka tao.
Mafotaka, araka izany, ny fikarohana azy amin'izao fotoana izao. Efa nisy mpiandry fonja maromaro notanana am-ponja any Toliara noho ny fitsoahan'ity Gaga ity ny fonja. Ho hita eo ny fivoaran'ny toe-draharaha.




Vohémar
Fiaramanidina kely niantsona
Tsy maintsy niantsona tampoka teny am-panidinana, tany Vohémar, omaly, ity fiaramanidina kely iray, nandeha tany an-toerana. Voalaza, araka ny vaovao azo, fa noho ny fahasamponana nitranga teo amin'ny milina mampihodina azy no nahatonga ny mpanamory nandray ny fanapahan-kevitra.
Teny amoron-dranomasina, araka izany, izy no tafapetraka. Teratany vahiny telolahy no mpandeha tao anatiny ary avotra soa aman-tsara avokoa. Tsy nisy naninona.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tafika an-dranomasina - Voamaina feno bibikely no sakafony. Velon-taraina, ny zoma teo, ireo miaramila ao amin'ny etamazaoron'ny tafika an-dranomasina. Voamaina feno bibikely mantsy no sakafo nomena azy ireo, nalaina teny Ivato tamin'io fotoana io. Gony maro anefa no nisy izany.
Andoharanofotsy - Mpitandrina niharan-dozam-pifamoivoizana. Tapaka ny tongotr'ilay mpitandrina niharan-dozam-pifamoivoizana teny amin'iny faritr' Andoharanofotsy iny, ny zoma maraina teo. Noteren'ny kamiao sy ny fiara mpitatitra «minibus» iray teny an-toerana mantsy ny fiara nandehanany, ka potsitra tao. Niaraka tamin'ny vadiny izy tamin'io fotoana io ary hiantsena no anton-diany.
Malaza - Mpandeha 3 indray naratra. Fiara mpitatitra iray no niharan-dozam-pifamoivoizana, nifandona tamina kamiao «semi-remorque» iray, teo Fiadanana-Ambohimalaza, ny zoma antoandro teo. Mafy ny fifandonana ary naratra mafy vokatr'izany, niaraka tamin'ny mpamily, ireo olona roa nipetraka teo alohan'ny fiara. Mpandeha telo hafa taoriana koa naratra fa saingy tsy dia naninona firy.
Antsiranana - Hiverina hianatra ny mpianatra. Hiverina hamonjy ny fianarany anio maraina ireo mpianatra ao amin'ny «lycée technique» ao Antsiranana. Tapaka izany nandritra ny fihaonan'izy ireo tamin'ireo manampahefana sy tompon'andraikitry ny fampianarana any an-toerana, ny zoma teo. Ny olan'ireto mpianatra ireto moa dia ny fitakiana ny fanesorana ny «proviseur» sy ny «censeur» ao amin'ny «lycée».
Nangonin'i




Toby miaramila Bani Ivato
Halatra vy tao amin'ny fiaramanidina
Ripaky ny mpangalatra ny kojakojam-piaramanidina DC3-n'ny tafika ao amin'ny Bani Ivato. Miaramila iray no tratra ambodiomby nangalatra aluminium tamin'izany.
Metaly aluminium lavalava, sahabo eo amin'ny 10 kilao eo, nongotana tamin'ny fiaramanidin'ny tafika, DC3 na Dakota, tao amin'ny tobin'ny Bani Ivato, no nidiran'ity miaramila am-perin'asa iray, soldat de 2e classe, ny fonjan'Antanimora. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana tao Anosy ary dia izao voatana am-ponja izao, rehefa namoaka didy ny mpitsara tao.
Tratra ambodiomby mihitsy, raha ny loharanom-baovao azo, ity miaramila ity nitondra an'ilay aluminium saika hivoaka ny toby, ny alahady teo.
Ny mpiambina tao amin'ny toby ihany no nahatratra ka nitondra azy teo anatrehan'ireo manam-pahefana tao aminy
sy ny mpanao famotorana. Voalaza fa efa ny asabotsy no nongotany tao anatin'ilay fiaramanidina ilay metaly. Fa ny alahady vao nentiny.
Tamin'ny andron'ny fitondran'ny amiraly Ratsiraka no nampiasan'ny tafika an'itony fiaramanidina DC3 itony. Natao hitateran'olona. Efa tranainy ary tsy miasa intsony izy ireo amin'izao fotoana izao. Mipetra-potsiny ao amin'ny toerana voatokana (dépôt) ao amin'ny tobin'ny Bani Ivato ao. Ny hainandro sy ny ranon'orana sisa no mianjady aminy.
Manjaka ihany anefa na izany na tsy izany ny mpangalatra. Ka izay no nahavoan'ny fakam-panahy an'ity miaramila iray ity, mba naka metaly tao. Nefa dia izao tratra izao.
Miaramila teo amin'ny folo lahy teo izy no nentina nohadihadiana teny amin'ny Fampanoavana mikasika ity halatra ity. Ao ny vavolombelona, ny voarohirohy satria nanondro ny namany izy rehefa tratra. Saingy ny iray tratra ambodiomby ihany no nohazonin'ny Fampanoavana am-ponja.




Halatra
Olona folo notanana am-ponja
Natolotra ny Fampanoavana, omaly, tao Anosy ilay raharaha halatra fanitso nitranga tao amin'ny magazay fitoeran'entan'ny minisiteran'ny Fanamariam-pahefana izay eo ambany fiadidian'ny eny amin'ny Prezidansa, teny Alarobia ny faran'ny volana desambra teo.
Folo no indray voarohirohy amin'ity raharaha ity, misy ny mpiambina ilay magazay, ny mpibata entana, mpamily kamiao, ny mpandraharaha, tompona tranom-barotra, mpanera... Ary dia samy notanan'ny lehiben'ny Fampanoavana tao Anosy am-ponja avokoa.
Fito, raha ny tena marina, no natolotra ny Fampanoavana omaly satria efa nisy voatana am-ponja ny sasany tamin'izy ireo ny fiandohan'ny volana janoary teo. Saingy mbola nitohy ny fikarohana ka dia izao tratra daholo na ny mpamoaka sy ny mpangalatra ny entana, na ny mpandray sy ny mpividy ny entana.
Tsiahivina fa tafo fanitso lafo vidy miisa 120 no indray very tamin'izany, rehefa nanao ny fanamarinana ny tompon'andraikitra. Manodidina any amin'ny 120 tapitrisa ariary any ny tetibidin'izy ireo.
Ankoatran'ireo olona voarohirohy ireo moa dia nisy polisy iray nohainoin'ny Fampanoavana mikasika ity raharaha ity, omaly.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mananjary - Olona 32 no voasambotra. Mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro ny filaminana mikasika ilay vonoan'olona mahatsiravina. Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fetin'ny Sambatra tany amin'ny faritr'i Mananjary moa no nitrangan'izany. Tafakatra 32 izao ireo olona voasambotra momba izany.
Ankadifotsy Befelatanana - Nandresy ny fokontany. Nivoaka, afak'omaly, ny didim-pitsarana mikasika ilay adin-tanin'ny biraom-pokontanin'Ankadifotsy Befelatanana tamin'olon-tsotra. Nandresy ny fokontany satria nofoanan'ny Fitsarana ambony ny didy nivoaka tao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany.
Nangonin'i




Antanimena
Zaza maty voahitsaky ny fiara mpitatitra
Potika ny vatan'ilay zaza nohitsahin'ny fiara mpitatitra teo Antanimena, omaly maraina. Nitsindroka poti-tsakafo tao ambany kodiarana no nahavoa azy.
Zazalahy kely iray,tokony ho 3 taona eo, no namoy ny ainy nohitsahin'ny fiara mpitatitra teo Antanimena, omaly maraina tokony ho tamin'ny 8 ora tany ho any. Potika, araka izany, ny vatany satria notetezin'ny kodiarana mihitsy izy. Nandriaka tsy nisy toy izany ny rà teny an-toerana.
Raha ny fanazavan'ireo nahita, dia nitsindroka poti-tsakafo tao ambany kodiarana tao izy. Tsy nahita azy ilay mpamily, izay niantsona teo amin'ny fijanonan'ny fiara mpitatitra, ka tonga dia nandeha. Ary dia tao ilay zaza no noraisina.
«Ny olona nahita azy no nikiakiaka sy nihoraka vao nijanona ilay mpamily», hoy ity mpivarotra iray.
Tsy hita ny ray aman-dreniny
Niezaka ny namonjy an'ilay zaza ihany anefa izy namerina ny fiarany. Saingy tsy nahahetsika intsony ilay zaza.
Najanona ny fiara, ary nosakanana ny fiara karetsaka nitondràna an'ilay zaza namonjy hopitaly, sao mba misy ala nenina azo atao ihany. Saingy tsy tratra fa namoy ny ainy ihany ilaikely. Ary avy hatrany dia navantana tany amin'ny
tranom-paty tao amin'ny Hjra raha vao tonga teny.
Zanak'olona mangataka amin'iny faritra iny ity zaza ity, raha ny fanazavan' ireo olona eny amin'ny manodidina. Tsy misy
mahafantatra ny ray aman-dreniny fa ilay zaza no mandehandeha eny.
Ary na tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza aza, dia tsy hita na ny ray na ny renin'ilay zaza. Ny fokonolona teny an-toerana sy ilay mpamily no namonjy sy nikarakara azy, nitondra azy tany amin'ny hopitaly.





Ampangabe
Mpanao dabok'andro notafihin'ny jiolahy
Mpanao dabok'andro roa no indray naratra notifirin'ny jiolahy mpanafika teny Tsinjony Ampangabe, amin'iny lalam-pirenena fahafito iny, afak'omaly alina tokony ho tamin'ny 8 ora teo. Maromaro izy ireo no niaraka tamin'io fotoana io, nanofa fiara mpitatitra, handeha hividy omby any Ambalavao.
Nizotra tsara ny dia hatrany am-piaingana, fa nony injay tonga teo amin' ity toerana ity, dia nosongonana fiara 4x4 ny fiara nitondra azy ireo. Ary rehefa tafahoatra azy ireo ilay 4x4 dia nitsivalanany tampoka ny arabe ka natodiny tany amin'ilay fiara nitondra an'ireto mpanao dabok'andro ny lohany.
Nivoaka ny fiara tsikelikely ireo olona tao anatiny, nisy enin-dahy teo, no sady nanambana basy an'ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara mpitatitra. Samy nitondra basy lava sy basy poleta avokoa izy enin-dahy. Nisy ny nanao tifi-danitra, nisy ny nitifitra avy hatrany an'ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara.
Olona roa no naratra. Mpandeha iray teo anilan'ny mpamily no voan'ny bala teo amin'ny sorony. Avy eo dia niampita teo amin'ilay mpamily ny bala nahavoa azy.
Nasain'ireo jiolahy niondrika sady namoaka vola sy entana ireo mpandeha, ka lasan'izy ireo tamin'izany ny lelavola mitentina 150 tapitrisa ariary.
Voalaza fa mbola fiaran' olona nangalarina ihany koa, nangalarina teny Tsimbazaza tamin'io andro io, ity fiara 4x4 nentin-dry zalahy nanafika ity. Tany Antsahadinta no nanariany ny tompony.




Tsiroanomandidy
Hazo sarobidy 145 tratra
Hazo sarobidy, efa voavoatra miisa 145 no saron'ny zandary tao Ankadinondry Sakay, ny zoma teo. Voamboana ny 40 amin'ireo, ary araka ny fanadihadiana natao, dia olona avy any Tsiroanomandidy no tompon'ny entana. Notetehina hakarina aty an-drenivohitra moa ireto hazo ireto.




Mahamasina
Nanomboka ny asa fandaminana ny tsena
Fatiantoka iray lavaka ny an'ireo mpivarotra miisa 50, tsy nahazo nivarotra teo Mahamasina, omaly. Manao fandaminana vaovao ny kaominina.
Mpivarotra teo amin'ny 50 teo no nidanaka tsy afa-nanohy ny asa fivarotany isak'alakamisy, teny Mahamasina, omaly maraina. Vao maraina, teo amin'ny 7 ora sy sasany teo, raha tonga nitatitra ny entany hamonjy ny asa fivarotany isaky ny andro tsena izy ireo dia efa ny mpiasan'ny Fivondronana no tonga teny an-toerana nanakana sy nandrara azy tsy hivarotra.
« Mandoa haban-tsena ara-dalana izahay ary efa nahazo alalana tamin'ny tompon'andraikitry ny tsena nandamina sy nametraka anay tety », hoy ireo mpivarotra namaly tamin'ny feo nalahelo sy hendratra.
Nisy tamin'izy ireo anefa ny efa tsara toerana, tany akaikin'ny sekoky Sainte Famille tany, nefa ireo mpandamina tsena ireo no namindra toerana azy ireo teny amin'iny sisin-dalana nanesorana azy.
Nosoritan'izy ireo aza fa nisy mihitsy ny nandoa vola be, tamin'ireo mpandamina. Indrindra fa tamin'ireny tsenan'ny Noely sy ny taombaovao ireny.
Araka ny fanazavan'ireo mpivarotra voaroaka, dia misy ireo mpivarotra tsy voakitika tamin'ity fandaminana natao omaly ity, na dia samy nilahatra teny amin'ny sisin-dalana nisy azy ireo aza. Ireo mpivarotra voaroaka kosa dia nifampidinika tamin'ny tompon'andraikitry ny kaominina ka afaka manohy ny asa fivarotany ny alakamisy ho avy izao. Nambaran'ireo tompon'andraikitra mantsy fa asiam-panavaozana sy fandaminana ireo mpivarotra eo Mahamasina. Mahatratra
hatrany amin'ny 500 any moa ny isan'ireo mpivarotra
eo amin'io tsenan'i Mahamasina io.





67 HA
Notsaraina ilay nampihorohoro polisy
Niakatra fitsarana tao amin'ny ady heloka tsotra, afak'omaly, ilay jiolahy iray nampihorohoro polisy
tamin'ny basy kitoatoa teny amin'ny 67 ha ny zoma alina teo. Niaiky ny heloka vitany izy. Nefa nambarany fa tsy nihevitra ny hanafika an'ilay polisy izy.
Ilay polisy kosa anefa nanitrikitrika fa tena nihorohoro fatratra izy nanaovan'ity lehilahy ity azy. Nohazavainy tamin'izany fa tao anatin'ny aizina no sady tampoka no nanambanan'ity jiolahy ity azy. « Iny izaho hidina ny fiara mpitatitra tsy nanampo na inona na inona iny indrindra no tonga dia notsenainy tamin'ilay basy kitoatoa. Amin'izay teo amin'ny tendako no natohony ilay vavany », hoy izy. Tsy izy irery araka izany, raha ny fanazavany, no raiki-tahotra tamin'ny fihetsik'ity jiolahy ity. Amin'ny alarobia 6 febroary izao moa no hivoaka ny didim-pitsarana.




Ankazobe
Dimy mianaka lasan'ny rano
Dimy mianaka no indray natelin'ny rano tany Ankazobe, ny alarobia teo. Niakatra be mantsy ny rano tany an-toerana, vokatry ny fandalovan'ilay rivo-doza Fame, ka tondraka ny renirano. Avy nanetsa indrindra izy mianakavy kely ireto izao tra-doza izao, raha niampita ilay ranobe tao Antanimbaribe, ao amin'ny kaominina ambanivohitr'Antakavana.
Efa tao anaty rano niampita ilay ranobe izy dimy mianaka, handeha hody no tra-doza. Nifampitantana izy rehetra niampita ilay rano. Kanjo nibolisatra ny iray ary dia niara-nidoboka tao anaty rano avokoa izy rehetra.
Nifarimbona nitady ny razana ny fokonolona teny amin'ny manodidina. Nefa omaly vao nisy hita ny razana. Roa aloha, tamin'izy dimy mianaka, raim-pianakaviana 46 taona sy zazavavy kely enin-taona, no mbola hita hatramin'izao. Mbola mikaroka ireo sisa tsy hita ny fokonolona.




Sambatra
32 no notanana am-ponja any Mananjary
Notanan'ny Fampanoavana am-ponja avokoa, ny alakamisy teo, ireo olona 32 voarohirohy, tamin'ilay vonoan'olona nandritra ny lanonana famaranana ny Sambatra.
Tantara ratsy tokoa no niafaran'ny Sambatra tany Mananjary tamin' ity taona ity. Taorian'iny vonoan'olona mahatsiravina namoizana ain'olona efatra mianadahy tany an-toerana, tao amin'ny tanàna antsoina hoe Ambohitsara iny mantsy, ny 18 janoary teo, dia olona 32 no indray voasambotry ny mpitandro ny filaminana, voarohirohy tamin' iny raharaha iny.
Ny alakamisy teo izy 32 ireo no natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana rehefa avy nanaovan'ny mpitandro ny filaminana famotorana. Ary dia indray notanan'ny Fampanoavana am-ponja vonjimaika ao Mananjary avokoa. Tsy nisy tavela nahazo fahafahana vonjimaika na dia iray aza.
Misy amin'izy ireo, ankoatra ireo vatan-dehilahy tao amin'ity tanàna ity, anefa no tompon'andraikitra nikarakara iny fetin'ny Sambatra iny. Tao ihany koa ny mpitarika fikambanana ara-panatanjahantena. Any am-ponja avokoa izany izy rehetra ireo miandry ny fitsarana azy.
Nanaraka ny aina
Naharitra adim-pamantaranandro maromaro mihitsy, raha ny vaovao azo, ny fanadihadiana nataon'ny Fampanoavana azy 32 ireto. Nanomboka ny maraina, tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany tany mantsy ny fotoana namotorana azy ireo, ary tsy nifarana raha tsy tamin'ny 3 ora maraina. Henjana, araka izany, ny raharaha.
Araka ny efa voalaza tery aloha, dia olona efatra no indray namoy ny ainy tamin'iny raharaha iny. Teratany malagasy avokoa izy ireo. Saingy mba nandeha tany an-toerana niaraka tamina teratany vahiny iray, nanotrona sy nijery ity lanonana manana ny maha izy azy eo amin'ny foko Antambahoaka ity.
Tsy araka izay fitiavana ny hahafantatra ny fomba amam-panaon'ny hafa izay anefa ny dia fa zava-doza no hita, ary nanaraka hatramin'ny aina mihitsy.
Tsaho niely tao an-tanàna, amin'ny hoe hala-jaza no fototra nahatonga ny raharaha. Zazalahy kely efa-taona eo, no voalaza fa very tsy hita tamin'izany.
Ary rehefa nandeha ny «resaka» dia tany amin'ireo vahiny ivelan'ny tompon-tanàna tao an-toerana no niantefan'ny ahiahian'ny mponina. Dia norarafan'izy ireo izay hitany, ary sendra izany ireto tanora efatra mianadahy ireto.
Tamin'ny fomba feno habibiana tokoa no nentin' ireo olona tao an-tanàna namonoana azy ireo satria tsy vitan'ny novelesina tamin'ny kobay fotsiny izy ireo, fa sady nofiraina ny antsy sy nodorana mihitsy.
Ny iray tamin'izy ireo, ilay antsoina hoe Mamandry, no tena voa mafy tamin'izany satria voalaza fa tsy nisy endrika nahafantarana azy intsony noho ny vono sy herisetra tafahoatra natao taminy. Tsiahivina fa tovovavy ny iray tamin'ireto niharam-boina. Marihina koa fa hita ihany ilay zaza nony avy eo.
Nidina tany an-toerana mihitsy moa tamin'izay fotoana izay ny tompon'andraikitry ny filaminana, nijery sy nanadihady ny zava-nisy. Taorian'izay no nandeha ny famotorana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.





Ambohimanarina
Lehilahy maty tao anaty rano
Fatin-dehilahy iray, manodidina ny 30 taona eo, no hitan'ny fokonolona nitsinkafona teny amin'ny renirano teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Raha ny fijery azy avy ety ivelany, dia tsy nahitàna dian-dratra izy.
Ny nahavariana sy nampitolagaga ny manodidina anefa, rehefa nobataina ny razana dia nandeha rà avokoa na ny sofiny na ny vavany. Tsy fantatra, araka izany, na nisy namono izy na tratry ny donan-javatra mafy.
Mbola teny aminy avokoa ny fitafiany manontolo. Saingy tsy nisy taratasy mety ho nahafantarana azy na dia iray aza teny aminy. Ny mponina teny amin'ny toerana manodidina ny nahitàna ny razana rahateo samy nilaza ho tsy mahalala azy avokoa.
Tafakatry ny fokonolona teny an-toerana ihany moa ny razana, ary ny Bmh kosa no naka ka nanatitra azy tany amin'ny tranom-paty tany amin'ny Hjra Ampefiloha.




Fitsarana
Tsy hohazonina ela intsony ireo voafonja
Tsy hisy intsony ny fihazonana ela ireo voafonja tsy mbola nandalo fitsarana. Herintaona raha ela indrindra dia tsy maintsy mandalo fitsarana izy ireo.
Nisongadina izany omaly, teny amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy, nandritra ny lanonana ofisialy fanokafana ny fotoam-pitsarana amin'ity taona 2008 ity.
Nambaran'ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombo-kasem-panjakana, Bakolalao Ramanandraibe, mantsy fa ny 81 %-n'ireo voatana am-ponja dia saika ireo olona miandry ny fitsarana azy avokoa. Hisy araka izany, ny lalàna hamaritra izay fanafainganana ny fitsarana ny voafonja izay.
Hapetraka ihany koa eo anivon'ny minisiteran'ny Fitsarana ny mangarahara sy ny fitondrana tsara tantana ary hapetraka ny antsoina hoe «comité de pilotage» hanara-maso ny fandehan'izany rehetra izany.




Oniversite Aceem.
Hanomboka ny 10 marsa
Varavarana misokatra ho fampahafantarana ny sekoly sy ny zava-misy ao aminy, omaly, no nentin'ny sekoly ambony eo anivon'ny vondrona Aceem, nanokatra ny taom-pianarany amin'ity taona ity, teny Manakambahiny. Hisokatra ny 10 marsa izao mantsy ny fampianarana izay mifototra amina taranja telo lehibe, dia ny fikojakojana ny fitaovana, ny fitantanana ary ny fifandraisana.




Mitaraina i Soalala
...
Voninahitra lehibe ho ahy ny mangataka ny mba hamoahanareo ao amin' ny gazetintsika an'ireto zava-misy ao amin'ny Distrikan'i Soalala, Faritra Boeny ireto :
1- efa ho folo volana izao no nametrahan'ireo teknisianina fifandraisan-davitra ny antenne numérique KU izay fitaovana raitra hanatsarana ny fifandraisana sy ny fahitalavitra ao Soalala. Nandrasana ny émetteur niaraka aminy, saingy tsy hita izay marina; lasa fampirantiana fotsiny ilay antenne numérique.
I Soalala anefa dia efa ela no tsy nahita fahitalavitra, telo taona mahery; soa ihany fa mba nisy tsy miankina iray nanana émetteur mba nahafahan'ny mponina nanaraka ny fahitalavitra, kanefa simba efa ho telo volana izao io émetteur io,hany ka tsy misy zavatra hita sy araka intsony. Nankaiza ny émetteur tokony ho anjaran'i Soalala, io no fanontanian'ny mponina. Nofinofy araka izany ho an'i Soalala izany CAN malaza sy be mpanaraka amin'izao fotoana izao izany. Olona roa mba manana Canal sat no itangoronan'ny sasany (ny député, ny maire, ny commissaire, ny lefitry ny
lehiben'ny Distrika, ary vazaha iray).
Be ny ezaka nataon'ny tompon'andraikitra ao an-toerana saingy mandeha ihany koa ny fotoana.
2- vokatr'io voalaza io, dia sarotra ny fahazahoana ny RNM, ilay radio hany mba arahan'ny Malagasy; ny BLU, sy ny telefaonina Telma-soa ihany- no mba ifanakalozam-baovao matetika.
3- ny fandalovan'ny rivo-doza Fame, izay nahakasika ny Distrika dia tsy heno ary tsy misy mpilaza: tranom-panjakana maro (ny trano fonenan'ny lehiben'ny distrika, ny birao sy ny trano fivoriana, ny sekolim-panjakana, ny tobim-pitsaboana, ny tranon'olon- tsotra,... dia saika rava avokoa ny tafo; lakana maherin'ny telopolo no simba sy rava tanteraka ao Soalala sy ny manodidina, velaran-tany voavoly maherin'ny 200 ha no rakotry ny rano ka nahafaty ny voly ao anatiny. Noho ny tsy fisian' ny fitaovana ampielezana an'izany dia tsy misy
mpiresaka ny zava misy ao Soalala.
Gilbert Romain




Mahanoro
Vola sandoka 15 tapitrisa ariary tratra
Vola 10 000 ariary mitentina 15 tapitrisa no saika naparitak'ity lehilahy iray tany Mahanoro. Tratra izy sy ireo namany roa lahy, niampy ireo fitaovana nampiasainy.
Mpisando-bola saron'ny mpitandro ny filaminana. Saika zava-doza no nanjo ny fiarahamonin'ny mponina tany Mahanoro tamin'ny fihetsik'ity lehilahy iray tonga tany an-toerana, ny herinandro teo. Izy ity mantsy dia nitondra ary nitetika ny hanaparitaka ireo vola sandoka marobe tany aminy.
Nahatratra hatrany amin'ny 15 tapitrisa ariary tany, amin'ny ravim-bola 10 000 ariary, no indray tratra teny aminy tamin'ny fisavana nataon'ny mpitandro ny filaminana.
Tsy nanohitra intsony izy moa rehefa nahita ireo polisy nisambotra azy fa tonga dia nanaraka ary nanolotra ny sakaosy feno vola sandoka teny aminy.
Nosoritan'ity lehilahy ity, tamin' ny famotorana natao azy, fa avy aty an-drenivohitra izy no nidina tany Mahanoro. Tsy izy irery, raha ny fanazavany tamin'ireo mpitandro ny filaminana, no miray tetika tamin'izao raharaha izao fa misy dia misy ny namany. Misy ihany koa ny fizarana andraikitra. Miainga hatrany amin'ny fanamboarana ny vola ka hatrany amin'ny fanapariahana azy ary dia kopaka isasahana, araka izany, ny azy ireo.
Lehilahy iray hafa avy any Ankadikely Ilafy any no nambarany fa namany mpanamboatra ny vola. Nisy ihany koa ny teny amin'ny 67 ha. Ary rehefa nataon'ny polisim-pirenena avy any an-toerana ny fidinana taty an-drenivohitra dia sarona avokoa ireo olona notanisainy sy nolazainy fa namany ireo. Sarona ihany koa ny fitaovana fanaovany izany izay voalaza fa tena fitaovana àry fomba sy tena raitra dia raitra.
Efa natolotra ny Fampanoavana, ny alakamisy teo, tany an-toerana izy telolahy ary notanana am-ponja vonjimaika.




Ankazobe
Tsy mbola hita ireo razana telo
Hatramin'izao, tsy mbola hita popoka ireo razana telo nentin'ny rano tany amin'ny faritr'Ankazobe, ny talata teo.
5 mianaka izy no indray niaraka tamin'izany, nody avy nanetsa ary dia indray lasan'ny rano avokoa raha niampita ranobe tany an-toerana.
Ny roa tamin'izy ireo, ankizivavy kely tokony ho enin-taona eo, sy lehilahy lehibe iray manodidina ny 45 taona, no hita, roa andro tao aorian'ny nisehoan'ny loza.
Fa izy telo mianaka kosa hatramin'izao tsy mbola hita faty.
Efa miezaka ny mikaroka ny razana ihany anefa ny fokonolona any an-toerana sy amin'iny faritra manodidina iny.
Any an-toerana mantsy hatramin'izao, raha ny vaovao voaray avy tamin'ireo mponina any, dia tsy mbola mihena ny rano. Mbola ranobe hatrany no hita hatramin'iny fihavian'ny rivo-doza « Fame » iny.




Tsarahonenana
Ankizivavy iray maty nilatsaham-potaka
Ankizivavy kely iray, manodidina ny 16 taona eo, no namoy ny ainy nilatsaham-potaka teny Tsarahonenana, ny zoma hariva, nandritra iny oram-baratra nivatratra teto an-drenivohitra iny. Nanararaotra nitaty rano tamin'ny tafon-trano teo akaikiny teo izy, no sendra izao loza izao. Nosoritan' izy ireo fa sarotra dia sarotra ny fantsakana eny aminy. Raha ny marina, araka ny fanazavan'ireo mponina teo amin'ny manodidina, dia tany amin'ny herin'aratra ilay varatra no nilatsaka. Tapaka avokoa, araka izany, ny taribin-jiron'ny Jirama teny an-toerana. Ny herin'aratra niparitaka avy tamin' ilay taribin-jiro tapaka no nahavoa azy.
Nosaritin'iny ilay ankizy ary nipitika. Ka sahabo tany amin'ny eni-metatra niala teo amin'ny toerana nakany rano izy no nianjera.
Nentina tany amin'ny hopitaly haingana saingy tsy nisy azo natao intsony.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankorondrano - Lehilahy nihitsoka tanaty «ascenceur». Nihitsoka, ny asabotsy alina teo, ny « ascenceur » iray ana-orinasa lehibe iray teny amin'ny faritr'Ankorondrano. Mpiasa iray tao amin'izany orinasa izany no sendra izany ka tsy tafavoaka tao. Ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no nanavotra azy tao.
Ambohimanambola - Lehilahy maty an-drano. Dobo an-drano tao amin'ny reniranon'Ikopa teny amin'iny faritr'Ambohimanambola iny, afak'omaly, ity lehilahy lehibe iray eo amin'ny 70 taona eo. Nilomano izy raha ny fanazavan'ireo manodidina, ary ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no naka azy.
Toliara - Andian-jiolahy ravan'ny polisy. Ravan'ny polisy tany Toliara ireo andian-jiolahy nanafika tokantranon'olona tao an-tampon-tanàna, tao Betania, ny zoma maraina vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin'ny 2 ora tany. Efa-dahy no indray sarona. Nisy tamin'izy ireo nahatrarana basy.
Nangonin'i




Soavimasoandro
Zaza 5 indray maty nianjeran'ny trano
Zaza 5 mianadahy no indray namoy ny ainy teny Anosikely Soavimasoandro, afak'omaly alina tokony ho tamin'ny 11 ora tany. Vokatry ny fianjeran'ny trano nitranga teny an-toerana izany. Ny renin'izy ireo kosa voa mafy ary mbola miady amin'ny fahafatesana any amin'ny hopitaly, eny amin'ny Hjra Ampefiloha, amin'izao fotoana izao.
Hatramin'ny omaly, dia tsy mbola nahatsiaro tena ity renim-pianakaviana ity na dia manao izay ho afany amin'ny fitsaboana azy aza ny mpitsabo.
Mbola ao amin'ny efitra fameloman'aina, araka izany, izy ary ny fokonolona avy ao amin'ny fokontany nisy azy no miezaka mikarakara azy.
Manao fitia tsy mba hetra entina hividianana fanafody, misy ihany koa ny mahafoy andro miandry ny marary eny amin'ny hopitaly.
Trano gasy lehibe iray misy rihana mifanila amin'ny tranon'izy eni-mianaka no nirodana ary tonga dia nifatratra tao aminy daholo. Potika ary tsy hita taratra intsony ilay trano bongo kely nitoeran'izy ireo.
« Avy amin'ny fianakaviana sahirana mantsy izy ireo. Nisara-bady efa ela ilay ramatoa ary izy irery no mikarakara sy mamelona ireo zanany. Fandrariana harona no mba foto-pivelomany », hoy ireo mponina teny amin'ny manodidina.
Nosoritan'izy ireo fa ity renim-pianakaviana ity dia tsy mbola natory tamin'io fotoana io fa mbola niasa nandrary.
Zaza iray sisa
Teo amin'ny tany mantsy izy no nosokirin'ny fokonolona ary hita teo amin'ny manodidina azy avokoa ireo fitaovana nampiasainy. Ireo zanany dimy mianadahy kosa efa teny am-pandriana daholo ary teo no nobataina.
Nosoritan'ny lefitry ny filohan'ny faritra teny an-toerana, Rasamimanana Edouard, fa tao anatin'ny haizina tanteraka no nanavotana ireo niharam-boina.
Toerana tsy mbola tongan'ny jiro mantsy eny an-toerana. « Jiro fanao am-paosy no nentina nitsilovana sy namonjena azy eni-mianaka », hoy izy. Mbola olana toy izany ihany koa no niantsoana ny mpamonjy voina satria tany amin'ny fivarotan-tsolika tany Ivandry mihitsy, sahabo ho 1 kilaometatra niala teo, vao afaka nampandre azy ireo.
Zaza iray izany sisa no niangana tamin'ity fianakaviana kely ity. Efa manambady mantsy ny zokiny indrindra amin'ireo ankizy, ka tsy niray trano tamin'izy ireo intsony.
Mbola ny fokonolona ihany koa moa no mikarakara ireo razana 5 amin'izao fotoana izao.





Itaosy
Poa-basy sesilany nanenjehana an-dry Dorika
Dify teo am-pelatanan'ny polisy sy ny zandary indray, omaly tolakandro teny Ambohijanamasoandro teny Itaosy, i Dorika na dia nisy aza ny fanapoahana basy nanenjehana azy. Poa toy izay no nandraisany ny scooter-ny dia iny izy no lasa. Toa efa hainy tsianjery ny tavan'ireo polisy ka raha vao nahatazana azy ireo izy dia tonga dia namoaka basy ary nitifitra. Soa fa nahay niala ireo polisy nahita azy ka tsy voan'ny balany.
Polisy roalahy sendra nandalo tamin'iny faritra iny no nahatsikaritra azy sy ny namany teny an-toerana. Ary tonga dia niezaka nanenjika sy niantso namana. Tonga hatramin'ny zandary teo an-tanàna mihitsy nanampy.
Tsy i Dorika irery no nifanenjehana tamin'io fotoana io fa nisy namany roalahy. Ary raha ny fanazavan'ny polisy dia i Kouakou ny iray ary olon-kafa namany ny fahatelo. Teo am-pijanonana teo am-piresahana izy telolahy tamin'io no tazan'ireo polisy roalahy. Sady novelominy ny moto-ny no namoaka ny basiny izy ary nitifitra ireo polisy.
Eto an-drenivohitra eto ihany izany ireto jiolahy ireto no mandehandeha fa tsy nandeha lavitra. Efa maromaro ihany mantsy izay toerana nanenjehana azy ireo izay, indrindra fa i Dorika. Fa mbola tafaporitsaka ihany izy, teny Andohatapenaka, Anosipatrana, 67 ha, Ambohimanarina ...
Nambaran'ireo polisy nisambotra azy fa ankoatra ny basy poleta teny am-pelatanan'i Dorika dia nahitàna basy kalaky ihany koa teny aminy.
Tsy nisy olona naratran'ny bala moa teny an-toerana na dia nisy nitangorona ihany aza ny fokonolona.




Manjakandriana
Razana 14 nisy naka
Tonga eto an-drenivohitra ihany koa amin'izao fotoana izao ny famakiana fasana. Tao Ambohimasina I, kaominin'Ambohibary ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana, ny herinandro teo, dia fasana iray no novakian'ny jiolahy.
Naripany tao daholo ireo razana tao anatiny. Razana 14, araka ny vaovao voaray teo anivon'ny zandarimariam-pirenena,
no lasany. Razana iray sisa izany no mba niangana. Nefa io ihany koa aza voalaza fa tsy misy karandohany intsony.
Tsy mba toy ireny fahita tany amin'ny faritra sasany ireny no niseho, ny taolan-dava ihany no nalainy fa dia nentiny daholo, araka ny vaovao azo.
Raha ny fanazavana azo dia nohidian'ireo jiolahy tsara ny fasana rehefa avy novakiany. Saingy teo amin'ny fanirin'ny bozaka sy ny tany nanotofana ny varavaram-pasana no hafahafa ka nampamahina ireo tompom-pasana. Ahitra vao nitsiry mantsy no tazany teo ary tany mbola hita menamena be toy ireny avy nohadiana ireny. Voalaza anefa fa tsy nisy olona nalevina tao amin'ilay fasana ka namohana azy.
Avy hatrany dia nifamory ireo tompom-pasana ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Novohana ilay fasana ka teo no nahafantaran'ireo tompony fa novakian'ny jiolahy ny fananany. Tombatomban'ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fitsirirahana teny an-toerana no nahafantarana fa efa tany amin'ny tapa-bolana tany no namakian'ny sasany an'ity fasana ity.
Efa nametraka ny fitarainany tany amin'ny mpitandro ny filaminana moa ireo tompom-pasana ary efa mandeha ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsiroanomandidy - Tratra ny tompon'ireo hazo sarobidy. Olona telo no fantatra fa tompon'ireo hazo sarobidy miisa 137 saron'ny zandary tao Ankadinondry Sakay, ny 25 janoary teo. Avy any Tsiaroanomandidy avokoa izy ireo ary voalaza fa natolotra ny Fampanoavana tao Miarinarivo, omaly. Saika haondrana an-tsokosoko taty an-drenivohitra avokoa moa ireto hazo ireto.
Maroantsetra - Rongony 145 fototra nopotehina. Naripaky ny zandary tsy nisy niangana tany amin'ny faritr'i Maroantsetra ireo rongony 145 fototra nambolen'olona. Nafangarony tamin'ny voly katsaka izy ireo, mba tsy ho hita. Saingy hitan'ny zandary ihany. Avy hatrany dia notanana moa ilay lehilahy tompony ary notanana vonjimaika any am-ponja rehefa natolotra ny Fampanoavana.
Nangonin'i




Doro trano
Fitoriana roa no mipetraka
Nofotoran'ny zokiolona mpanao famotorana teny Anosy ilay tovolahy voarohirohy tamin'ilay doro orinasa afakaba teny Andranomena. Olona roa no mitory azy.
Niakatra teny amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy, niatrika ny famotoran'ny zokiolona ao amin'ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, ny lehilahy. Izy dia voarohirohy tamin' ilay doro trano nitranga tao amin'ny orinasa afakaba Gross View teny Andranomena ny asabotsy 8 desambra 2007, maraina vao mangiran-dratsy. Mbola fanadihadiana lalina mikasika iny raharaha iny moa no natao, ka tsy azon' ny olona atrehina ary tsy nisy nipika, araka izany, ny resaka.
Fa na izany na tsy izany, dia azo lazaina ho mihatsara ihany ity tovolahy ity, raha ny fahitàna azy teny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy, omaly. Afa-nandeha tsara na dia mbola somary misy fahasahiranana kely sy mifono bandy ihany aza ny tongony.
Miliara maro
May avokoa mantsy tamin' ireny fotoana ireny ny tongony, na ny tanany ihany koa aza, ka nivotsotra tsy afa-nandeha izy. Na tamin'ny andro nanolorana azy ny Fampanoavana aza izy mbola tsy afaka nandeha tsara ary ny fiaran'ny zandary no nanatitra azy, rehefa naka azy avy tany amin' ny hopitaly Hjra Ampefiloha nitsaboana azy. Tsy maintsy naiditra hopitaly mantsy izy noho ny fahavoazany, ary teny izy no nofotoran'ny zandary niandraikitra ny raharaha.
Mikasika iny raharaha iny, dia fantatra fa fitoriana roa miavaka tsara no miandry azy eny amin'ny fitsarana. Voalohany amin'izany ny avy amin'ny tompon'ny orinasa Gross View. Nosoritan'izy ireo mantsy fa vola mitentina fatiantok'izy ireo tamin'iny doro trano iny.
Doro trano izay niniana natao fa tsy vokatry ny loza niseho. Saika tapitra kila forehitra tao avokoa mantsy ireo fitaovana ampiasain'ity orinasa ity sy ireo vokatra namboariny tao, na ny entana efa vita tsara, na ny lamba mbola hozairina, eo ihany koa ny solosaina isan-karazany.
Ny faharoa dia napetraky ny tompon'ny trano. Nanofa trano mantsy fa tsy tompony ireo teratany sinoa nametraka ny orinasany tao. Nidiram-patiantoka ny tompon-trano noho izany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Antanimena - Polisy niditra tanaty trano fisotroana. Hatairana ny an'ireo olona teo amin'ny manodidina an'Antanimena nahita ny firodorodon'ireo polisy efa-dahy, nanao fanamiana ary nirongo basy, niditra tao amin'ny trano fisotroana iray teny Antanimena. Tsy fantatra mazava izay nataony tao satria nilaza ho tsy nahita ny fihetsiny ireo olona tao.
Ankadifotsy - Tovolahy nangalatra finday. Tsy tratra mihitsy na dia niezaka nanenjika ilay tovolahy nangalatra finday aza ny fokonolona teny Ankadifotsy. Nandositra nihazo elakela-trano ilay jiolahy, ary iny izy no tsy hita. Findain'olona nandeha teny an-dalana no voalazan'ireo nahita fa nosintoniny nanaovany an-keriny.
Nangonin'i




Moramanga
Mitohy ny fahafatesan'omby
Miharipaky ny aretina ihany ny omby amin'izao fotoana izao, izay mbola mihanaka amin'ny faritr'i Moramanga. Mpiompy iray namoy omby 11ary tsy maharaka ny famonjena.
Tsy mijanona fa mitohy hatrany ny fisian'ny omby matin'aretina any amin'ny faritr'i Moramanga. Fantatra mantsy izao fa mpiompy iray no namoy ny ombiny 11 tao anatin'izay fotoana nisehoan'ny aretin'omby izay. Tsy hita fa vetivety eo dia maty ny omby. Malain-komana, mizihin-kibo ary avy eo mitanondri-doha ary dia maty rehefa afaka kelikely.
Miezaka ny mitsabo, manatona dokotera mpitsabo biby, manome fanafody ary tonga manenjika mividy fanafody mihitsy aza ny mpiompy any an-toerana, araka ny vaovao nampitain'izy ireo, fa ripaka ihany ny omby. Tsy hoe tsy sitram-panafody akory ny omby marary. Saingy ilay fotoana isehoan'ny aretina eo amin'ny omby no misy haingana loatra ka tsy tratra.
Tsy mazava
Ny mpitsabo biby izay nohatonina, noho ny tsy fahitàny mazava ny soritr'aretina, sy ny tsy fanatrehany ny «autopsie»-n'ireo omby maty dia tsy afaka nanome fanazavana mazava ny amin'ity aretin'omby mandripaka ity. «Tsy maintsy misy fitiliana atao vao afaka mamaritra ny sorit'aretina. Samy manana ny fisehony avokoa mantsy ny aretina ka sarotra ny maminany azy raha tsy hita maso ilay biby marary, toy ny olombelona ihany», hoy izy ireo.
Nambarany fa toy ny zava-manan'aina rehetra, ohatra ny olombelona, dia misy aretina maro mpahazo ny omby. Ao ny aretin'omby antsoina hoe «quadrillose», «charbon bactérien», «charbon symptomatique», «colibacillose», fivalanana, ... Nefa na izany aza, dia notsindrian'izy ireo fa misy, ary maro toy izany ihany, ny fanafody mahasitrana azy. Indrindra fa ny dintan'omby, izay karazana kankana madinika tsy hita maso mamely ny atin'omby, sy ny kongona. Fa ny mpiompy indraindray no tsy taitra.
Mihanaka ny aretina
Misy ihany koa no sitran'ny vakisiny ary io no tokony tsy hataon'ny mpiompy ambanin-javatra ny fanarahana azy.
Ireo mpitsabo biby tafaresaka taminay moa dia nanipika fa ny omby matin'aretina dia tsy tokony ohanina mihitsy fa alevina.
Raha ny vaovao azo mikasika ity aretin'omby ity moa dia voalaza fa efa saika mahenika ny faritra afovoan'ny Nosy iny izy io amin'izao fotoana izao. Izany hoe manodidina an'i Manjakandriana sy Moramanga, Ambatondrazaka ary Anjozorobe.





Isoraka
Vavy antitra novonoin'ny mpiasany
Tsaboina ary azo lazaina fa miady amin'ny fahafatesana any amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao ilay vavy antitra iray, 80 taona, novonoin'ny mpanampy vaviny teny Isoraka, ny talata hariva teo. Izy sy ity mpiasany ity irery no sendra tao an-trano tamin'io fotoana io, fa ny rehetra mbola tany ivelany daholo.
Dia novonoin'ity mpiasa vavy ity tao ilay vavy antitra. Notondrahany ny rano mangotraka avy tao am-bilany ny lohany avy eo mbola nodarohany tamin'iny vilany mahamay iny indray. Tsy mbola nijanona hatreo fa nalainy indray ny tavoahangy dia mbola nokapohiny tamin'iny indray.
Tsy nahagika ilay ramatoa be sady tsy nahetsika ka ny fokonolona teo amin'ny manodidina no namonjy azy.
Nitetika ny hivoaka ny trano tsimoramora mantsy rakalakely teo. Saingy taitra tamin'ny don-javatra matetika re avy tao an-trano ny manodidina ka lasa nivoaka nijery sy niandry izay olona hivoaka tao. «Raha tsy izay feon-javatra nidoboka teo an-tranon'izy ireo, tsy taitra izahay», hoy ireo mponina teo amin'ny manodidina.
Kaodikaody
Iny tokoa fa rehefa nivoaka ny varavarana ilay mpiasa dia nohatonin'ny olona ka nanontaniany izay zava-niseho. Niambakavaka teo ny anao vavy no toy ny kaodikaody saika hitsoriaka (tsy hiraharaha). Mailo ny olona ka nihazona azy tsy hihetsika ary nitondra azy niditra tao an-trano. Dia izay no nahafantarana ny zava-nisy tao an-trano. Ary dia nantsoina ny mpitandro ny filaminana.
Raha ny vaovao azo dia hay tena nokendren'ity mpiasa vavy ity hovonoina mihitsy ilay vavy mpampiasa azy. Tsy nisy ady teo amin'izy ireo fa dia izay fotsiny no tetiny. Nambarany mantsy fa nisy olona naniraka izy ka rehefa maty ramatoa be dia antsoina ireo jiolahy handroba ny entana ao an-trano. Efa tsikaritr'ireo naniraka azy izany fa tsy misy afa-tsy ity vavy antitra ity irery no ao an-tranony rehefa amin'ny andavanandro.
Rehefa narahina tokoa ny mombamomba an'ilay tovovavy mpiasa an-trano dia tsy misy zavatra marina na dia kely aza na ny anarany na ny kara-panondrony. Sandoka sy hosoka avokoa ary tsy nitantara izany izy raha tsy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana. Na ny daty nahaterahany aza nitankosona be.
Vao iray volana teo izay no niasan'ity mpiasa an-trano ity tao amin'ireto fianakaviana ireto.
Any amin'ny mpiasa an-trano indray izany ny jiolahy no mametraka ny vela-pandriny.




Ambatonakanga
Ankizilahikely telo nanafika
Efa lasa lavitra tokoa ankehitriny raha ny herisetran'ireo ankizilahikely mpandehandeha eo Analakely eo. Tsy vitan'ny mangarom-paosy olona fotsiny fa tena manao fanafihana mihitsy ary sahy mampiasa herisetra amin'olon-dehibe.
Raim-pianakaviana roalahy no sendra azy ireo teny Ambatonankanga, ny zoma alina teo. Ankizilahikely telo, manodidina ny 15 ka hatramin'ny 17 taona eo, no indray nanafika azy roalahy. Avy tany Analakely tany, nipetrapetraka sy nisotrosotro, ireto raim-pianakaviana ireto, no efa tsikaritr'izy telolahy kely. Avy nandray vola mantsy izy ireo ary ny fomba namoahany vola no hitan-dry zalahy. Dia narahiny nony injay niala teo ka nandeha nody. Rehefa sendra ny làlana mangina iny, tsy nisy fiara nandalo, dia nofinganiny hianjera izy roalahy, avy eo nodarohany sy norahonany dia noendahiny satria tsy afa-nihetsika.
Lasany na ny finday na ny vola tany anaty paosiny. Naratra vaky loha mihitsy ny iray tamin'izy ireo .
Niantso vonjy moa izy roalahy, ka soa ihany fa nisy hotely nisokatra tsy lavitra teo amin'ny toerana nanafihana azy, olona sendra nisakafo tao no nivoaka ny hotely. Nihazakazaka, nanao 100 metatra, nanenjika an'ireto tovolahy kely.
Tratra tsy lavitra teo ny iray, fa ny roalahy no tafaporitsaka. Saingy toy ny fanaon'ireo mpanendaka gaigilahy, ny finday sy ny vola no tsy nisy azo fa efa napasipasin'izy telolahy..
Natolotra ny Fampanoavana, afak'omaly moa ity voasambotra.




Mahitsy
Karazan-taolana sisa no hita tamin'ny fatin'ilay tovolahy
Tany amin'ny faritr'i Mahitsy, tao amin'ny tanàna atao hoe Ambatonadala, ao amin'ny fokontanin'Antoby atsimo, anatin'ny kaominin'ambanivohitr'Antanetibe Mahazaza, ny alatsinainy teo, no hita ny fatin'ilay tovolahy iray. 22 taona izy ary mponina tao Ambohidrazaka, fokontanin'Ambohimanjaka. Efa tsy misy nofo firy intsony, raha ny fanazavana azo, fa karan-doha sy taolan-tratra ary taolam-pe sisa no hita. Ny fitafiana nanaovany efa tsy teny aminy intsony fa nipetraka tsy lavitra ny toerana nahitàna azy.
Voalaza fa efa hatramin'ny faran'ny volana janoary teo izy no tsy hita ary nanomboka teo ny fikarohan'ny fianakaviany azy.
Efa tonga teny an-toerana nanao ny fitsirihana ny zandary avy ao Mahitsy ary misokatra ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Kolontsaina - Mijoro ny fikambanana Faniahy. Nampahafantarina ny mpanao gazety tao amin'ny "boutique Soalandy" Ankadindramamy, omaly, ny fikambanana Faniahy izay ivondronana tanora mandala ny maha-malagasy sy mampianatra dihy vahiny. ny fanandratana ny kolontsaina malagasy sy ny fifehezana ny an'ny vahiny no tarigetran'izy ireo.
Miandrivazo - Mpanjono lanin'ny voay.
Raim-pianakaviana iray, 33 taona, eo no norombasan'ny voay tany Miandrivazo ny talata teo. Nirobo-drano nanindrona trondro izy ary efa notaritin'ny voay vao taitra ny namany. Ny tapany ambany sisa no avotry ny fokonolona.
Nangonin'i




Ianao
«Hitantana anao hatrany am-paradisa anie ny anjely». Teny fandre isaky ny fanaovam-beloma farany any am-piangonana izany. Arahan'ilay ranombavaka hoe «Ray ô, eo am-pelatananao, ny fanahiko». Tsy dia ny vavaka loatra no tiako asiana resaka fa ny fanononana faramparany ny teny tokana hoe «IANAO».
Tsy fanao IANAO intsony ny maty. Tsy hita hiresahana mantsy - na mbola mety mandre, araka ny lovan-tsofina sasany aza, tsy miloa-bava intsony - ka bitsihin'ny mpanotrona sy ny fianakaviana hoe «Izy». Isan'ny fotoana farany hiresahana mivantana aminy sisa io «hitantana anao hatrany am-paradisa anie ny anjely» io. Ao koa ny teny faran'ny kabary : «Ranona, mandria am-piadanana».
Rehefa hiala aina ny olona dia mifampibitsibitsika ny mpianakavy : «Tsy namana intsony Izy». Raha tonga ny fotoana famonoson-damba, ilay segondra farany dia farany tokoa hifanatrehan-tava, dia misy fomba fiteny hafa ihany koa : «batao ny OLONA». Indraindray, fa samy manana ny finoany moa ny olona, miteny moramora amin'ny maty ny mpitari-draharaha raha misy somary manahirana : «Ranona, amorao ny tananao, atsory ny lohalikao, Izay»...
Tsy haiko moa ny fomban'ny firenen-kafa fa dia mampiavaka antsika tokoa ny fikarakarana ny havantsika vao nodimandry. Na ny fahamaroan'ny voambolana aza dia mbola taratr'izany : «maty, nodimandry, niamboho», narahin'ny hoe «nantsoin'ny Ray nody any aminy» taorianan'ny taona 1869 nanaovana batisa ny Mpanjaka sy ny Praiministra. Eny am-pasana ihany koa : «fandevenana, fanitrihina, fanaterana, fanafenana». Mby antsoalana ny razana...
Fahiny aza moa dia andro maromaro mihitsy no «fiandrasana» ny maty. Tsy maintsy notsotsorina kokoa izany noho ny fiainana ankehitriny. Saingy sanatria amintsika mihitsy ny fanao any amin'ny firenen-kafa mandevina androtr'io ihany. Ny any Indonezia, izay iray kolon-tsaina amintsika, moa dia ny fivavahana silamo no nitondra fiovana tany aminy tahaka izay niseho tamin'ny fivavahana kristianina teto Madagasikara.
Filaharana mitoman-dahatra ny «famangiana fahoriana» ary mampanontany tena raha ny maty na ny velona no alana fahanginana amin'ny fiaretan-tory. Tsy atao maty afo (izany hoe jiro ihany koa) manodidina ny farafara andrin'ny maty. Tsy mangina ihany koa ny fianakaviana : «afo sy feo» inoana fa enti-mandroaka ny «zavatra» alaim-panahy hihaodihaody. Mety ho samy hafa ny fisehony isaky ny kolontsaina saingy mifanindran-dalana ary mitovy asa hatrany ny afo, rano, rivotra, tabataba, amin'ny fanalana faditra sy fanilihina izay mampiahiahy.
«Eritreritra nofy mangina», araka ny vetson-dRaberiavelo, iny. Mpandevina mamoaka faty no niaingan'ny resaka saingy tetezana niampitana amin'ny fomba
amam-panao. Ho tanety lava misy isainanao taranaka fara aman-dimby.




Nahoana no hifidy ?
Hifidy inona ? Hifidy an'iza ?
Ho an'ny «valalatsimandadiharona» dia izany no mby an-tsainy, raha vao misy resaka fifidianana ; ary ny fanaingana azy hifidy no manaitra ny eritreriny, fa tsy ny maha fifidianana ny fifidianana. Izay olona milatsa-ko fidina dia mazana amin'ny fotoan'ny fampielezan-kevitra no ahitany azy ka matetika efa eny an-kianja mikabary no ahitany azy, vao hoe : Iza io ? Avy aiza io ? Haninona hoe ?
Misy ihany ny mba mamaly, tsy sazoka ka manatsotsotra hoe : Fidio hono izy, na Alatsaho ho azy hono ny vatonao. Hifidy !Handatsa-bato ! Asa be !
Nifidy Filoham-pirenena ny 3 desambra 2006 Nanao fitsampan-kevibahoaka ny 4 aprily. Nifidy Solombavembahoaka ny 23 septambra 2007. Nifidy Benitanana ny 12 desambra 2007. Totoafo ny hazakazaka arahin-tosika hany ka tsy misy hamana-menaka mihitay.
Izany no atao hoe : levilevy, ary dia efa manao «tongotra an-katoka» any koa hono izany fifidianana Filankevi-paritra izany, ka any antenantenan'ny volana marsa any no hatao.
Ireo tsy maharaka na tsy miraharaha resaka politika, dia tsy mivaky loha, na hifidy na handatsa-bato no anaingana azy. Toy izany koa ireo tsy nantena hahazo tombontsoa amin' izany, na ara-politika, na ara-piarahamonina, mainka moa izay isan-tokan-trano sy isam-batan'olona. Any rahateo ireo efa leo ny politika, tsy ihinanan-kanina.
Mpifidy tsy an'Antoko




TSENAN'I MAHAMASINA
Misavorovoro ny mpivarotra
Mpivarotra 425 teo amin'ny "Cité du jardin" sy ny manodidina ny hopitaly Befelatanana no ampidirina ao amin'ny tsenan'i Mahamasina. Manohitra izany anefa ireo efa eo.
Mpivarotra eo amin'ny 425 eo, manodidina ny Cité du jardin sy ny hopitaly Befelatanana, no indray tsy manan-toerana
ao Mahamasina, rehefa tsenan'alakamisy, ka tsy
maintsy ampidirina miaraka amin'ireo namany eo amin'ny tsena ben'i Mahamasina.
Ny tompon'andraikitry ny tsena eto an-drenivohitra no nanambara izany, omaly, manoloana ny savorovoro misy eo amin'io toerana io amin'izao fotoana izao.
Nambarany mantsy fa tsy maintsy averina alamina indray ny tsena rehetra eto an-drenivohitra ary voakasik'izany i Mahamasina. Omena toromarika ny mpivarotra tsirairay ary entanina mba hanara-dalàna.
« Tsy ekena ny fanasisihana »
Nosoritany koa fa saika tsy manana patanty sy certificat d'occupation ny ankamaroan'ireo voakasiky ny famindrana ireo. Ary omaly ihany izy ireo dia efa nasaina nanatanteraka ny fikarakarana izany.
Midrikina tsy manaiky izany anefa ireo mpivarotra eo amin'ny tsena be. Nosoritany fa efa hatramin'ny ela, tamin'ny tsena vao nanomboka teo Mahamasina, no teo izy ireo.
« Ara-dalàna avokoa izahay. Ny tsenanay efa
milamina ity indray ve no hokorontanina ? Ny tompon'andraikitra nametraka azy ireo teo no aoka hitady toerana ho azy, fa tsy ekenay ny fanasisihana azy ireo eto aminay. »
Henjana, araka izany, ny tady eo amin'ny samy mpivarotra. Nambaran'ny solontenan'ireo mpivarotra hafindra fa efa nihaona tamin'ny tompon'andraikitry ny tsena izy, ka amin'ny talata izao no ho tonga eny Mahamasina, ao amin'ny biraon'ny tsena, hijery ny toerana hisy azy amin'ny alakamisy heriny. Dia ho hita eo ny tohiny.





ANKAZOBE
Zanaka mpitandro ny filaminana voarohirohy
Tovolahy telo no indray noraofin'ny zandary tamin'ilay resaka vaky trano narahina halatra, tao an-tampon-tanànan'Ankazobe, afak'omaly. Zanaka mpitandro ny
filaminana ny iray ary ny faharoa tsy hafa fa fianakavian'ny tompon'ilay trano voaroba ihany.
Mpivarotra anisany ngezalahy ao Ankazobe ity norobain'ny jiolahy ity. Novakian'ireo jiolahy ny varavaran-kelin'ilay magazay ary teo no niditra sy namoaka ny entana izy.
Niakatra taty an-drenivohitra, naka ny alika mpitsongo dian'ny zandarimariam-pirenena mihitsy ilay tompon'ny tsena. Nitokona tao amin'ny trano fonenan'izy telolahy ny alika. Avy hatrany dia nentin'ny zandary namonjy ny tobiny izy telolahy. Mandeha ny famotorana azy ireo ankehitriny.




FENOARIVO
Nodifian-dry Dorika indray ny polisy
Nodifian-dry Dorika sy ny namany indray ny polisy, omaly. Sady nandalovany no notazaniny. Izay no azo amehezana ny zava-nisy teny Fenoarivo, tamin'ny fanenjehan'izy ireo an'ity jiolahy raindahiny ity.
Samy tonga teny an-toerana avokoa na ny polisy voaofana manokana amin'ny fanenjehana an'ireny jiolahy raindahiny ireny (ny service anti-gang), na ny avy ao amin'ny sampana miady amin'ny heloka bevava. Saingy dila indray ry Dorika !
Telolahy izy, raha ny fanazavan'ny mponina, no nifanenjehan'ny polisy tao an-tsenan'ny kisoa tao Fenoarivo. Tonga dia nandray fiara mpitatitra aloha ny iray ka tany dia tsy hita.
Dorika sy namany kosa nihazakazaka nandalo ny polisy sy ny fiarany teo amin'ny Bonara (sampanana mankany Vontovorona) dia iny koa no lasa. Voalazan'ny mponina teny an-toerana fa tamin'io fotoana io, mbola variana namoaka basy tao amin'ny vodin'ny fiara nentiny ny polisy. Ry zalahy nandalo.
Dia lasa nifanenjehana hatrany anaty ala sy vodisaha rehetra tany.
Tonga tao Antsahadinta, tsy tratra fa niangavy mpivoy lakana i Dorika sy ilay namany. Sady maria ny rano no lalina hatrany am-poto-pe. Tonga tafara ny polisy, saingy tsy nahita lakana hiampitàna intsony ary dia nifampitazana teo.
Teo amin'ny 500 metatra teo anefa izany elanelana nisy azy ireo izany, nefa dia notazanim-potsiny ireo jiolahy nandeha nizotra tsimoramora nandositra.
Efa fanindiminy izao raha kely no nanenjehan'ny mpitandro ny filaminana an'i Dorika, saingy dify foana izy. Izy indray angamba no Rainivoanjo faharoa !




QUESTIONS à...HAJA RAZANANTOANINA
« L'élection du chef de région est aussi urgente »
L'ex-président du comité régional d'Anala-manga fait un éclairage sur l'élection du chef de région.
. Quelle distinction y a-t-il entre le comité régional et le conseil régional ?
- Le comité régional est une structure provisoire mise en place par le
régime afin de contre-balancer l'exécutif de la région et d'éviter un éventuel dérapage.
Plus précisement, c'est l'organe délibérant au niveau d'une collectivité territoriale. Le comité régional s'est substitué au conseil régional, dont les membres seront élus le 16 mars.
. Quel rôle joue l'organe délibérant ?
- Comme son nom l'indique, il se charge de la délibération au niveau de la région. Il donne son aval au budget et à la mise en oeuvre des différents projets. Il se considère aussi comme un organe de conseil : l'exécutif peut consulter son avis sur un sujet bien déterminé.
. Le comité régional a-t-il rencontré des problèmes au niveau de son fonctionnement ?
- C'était plutôt un manque de considération. S'agissant d'une structure provisoire, le comité régional n'était pas écouté. L'exécutif de la région ne tenait pas compte de ses décisions. Actuellement, l'Etat manifeste sa volonté d'installer une structure permanente, à savoir le conseil régional. Par la suite, il appartiendra à celui-ci de ne pas décevoir les citoyens.
. Voulez-vous dire que l'élection des chefs de région est également urgente ?
- Tout à fait! Le fonctionnement du conseil
régional en tant qu'organe délibérant ne sera pas effectif tant que le président de l'exécutif n'est pas élu. Sa désignation, qu'il soit chef de région ou non, qu'importe son appellation, s'opère au détriment du conseil régional.
. Quid du statut des membres du conseil
régional ?
- Les membres du conseil régional sont à élire au suffrage universel direct. Dans l'exercice de leurs fonctions, ils reçoivent une indemnité, dont le montant est déterminé suivant la catégorie de la région où ils siègent. Le conseil régional se réunit en session deux à trois fois par an.




Indice
Jci. Conférence régionale à Madagascar. Madagascar accueillera du 28 février au 1er mars prochain la conférence régionale des Jeunes chambres internationales (Jci) dans la région sud et océan Indien. Une dizaine de pays seront représentés pour l'occasion.




Fanafihana polisy
Jiolahy roa notanana eny Tsiafahy
Niampy roa indray ireo jiolahy voasambotra tamin'ilay fanafihana ny paositry ny polisy teny Antsalovana, ka nahafaty polisy roalahy. Eny Tsiafahy izy ireo amin'izao fotoana izao.
Tsy namelan'ny tao amin'ny Fampanoa-vana, na dia nanao fialàna bala tamin'ny fandavana ny fandraisany anjara tamin'ilay fanafihana ny biraon'ny polisy teny Antsalovana aza, ireto jiolahy roa, Joro sy ny namany iray, tratry ny polisy ny talata teo. Natolotra ny Fampanoavana omaly mantsy ry zalahy ireo, ka avy hatrany dia notanany eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy.
Telo mianadahy izy no indray voasambotra tamin'ity raharaha ity satria nisy vehivavy iray izay voalaza fa sipan'i Joro, tafiditra tao anatiny. Ary dia ny fonjan'Antanimora indray no nandray azy. Raha fehezina dia samy tsy nisy afaka tamin'io raharaha goavana iray io izany izy telo mianadahy ireto.
Raha ny momba an'i Joro manokana moa, ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana izay samy nahavoarohirohy azy sy ity namany, dia voalaza fa sady nandositra ny hopitaly HJRA nitsaboana azy izy. Fanafihana nokotrehiny teny Behoririka, no nahavoasambotra azy tamin'izay fotoana izay. Nandositra ny anao lahy ka notifirin'ny polisy. Naratra izy ka tsy maintsy nalefa teny amin'ny hopitaly hotsaboina. Nefa iny izy no nitsoaka. Dia mbola miampy fandosirana (évasion) indray koa izany ny fanenjehana azy.
Tsy vitan'izany fa grenady sy basy no indray tratra teny aminy tamin'izay fotoana nahasamborana azy izay.
Taorian'ilay fanenjehana an-dry Dorrick sy ny namany nitaingina moto teny amin'iny faritr'Ampitatafika sy Itaosy iny, ny talata teo, no nahavoasambotra an'ireto jiolahy roa sy ny sakaizany ireto.
Avy eny Manajakary eny no fonenan'i Joro, ary ilay namany koa tsy lavitra fa eo Ankasina eo amin'ny manodidina an-dry Tiana masiso eo. Izany hoe tsy lavitra ny paositry ny polisy eny Antsalovana. I Joro no nanondro an'ity namany rehefa nandeha ny famotorana.




Fisolokiana
Mbola ao amin'ny polisy ny raharaha Bahamas
Mbola ao amin'ny polisy hatramin'izao ny antontan-taratasy mikasika ny raharahan'i Bahamas, dia ilay resaka fisolokiana goavana amin'ny fitadiavan'asa any ivelany. Nahavoarohirohy teratany maorisiana lahy iray, Steve Turmel, ity raharaha ity, efa tamin'iny taon-dasa iny.
«Efa natolotra ny Fampanoavana ny antontan-taratasy matevina mikasika ity raharaha ity. Efa vita daholo, araka izany, ny famotorana nataonay. Saingy naverin'ny Fampanoavana aty aminay indray izany », hoy ny tompon'andraikitry ny polisy iray nisahana ny fanadihadiana an'ity raharaha ity. Nosoritany fa ny raharaha vitan'ny polisy dia tsy maintsy atolotra ny Fampanoavana avokoa, izay manome ny fanapahan-kevitra rehetra momba izany.
Nanamafy izany, ny tompon'andraikitra ao amin'ny Fampanoavana.
Tsiahivina fa ny fitarainana napetrak'ireo mpiasa sasany voafitaka tamin'iny raharaha iny no nampisokatra ny fanadihadiana toy izao. Fisolokiana sy kolikoly ary tsy fanarahan-dalàna amin'ny fanajana ny fepetra fahazoana mipetraka eto Madagasikara, ireo no fototry ny fanenjehana an'i Steve Turmel. Efa niaky ny zava-nataony moa izy tamin'ireny, ary namerim-bola tamin'ireo mpiasa an'arivony nofitahiny.




Andraisoro
Raim-pianakaviana iray maty nianjeran'ny trano
Trano iray indray no narodan'ny orana teny amin'iny faritr'Andraisoro iny, omaly alina. Telo mianaka izy, mpivady lehibe iray niaraka tamin'ny zanany lahy 30 taona eo, no indray niharan-doza, tototra tao.
Saingy ilay raim-pianakaviana, 59 taona, irery no namoy ny ainy, fa izy mianaka kosa, ilay reniny sy ity zanany lahy, avotra soa aman-tsara. Ilay renim-pianakaviana, na izany
aza anefa, no somary voa mafy ihany.
Satria nambaran'ireo mpiara-monina taminy fa torana tsy nahatsiaro tena izy. Ary dia tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao. Ilay zanany lahy kosa tsy naninona.
Trano lehibe misy rihana iray ity nirodana ity. Ambany toerana no misy azy eny Andraisoro, ary hodidinin'ny tanimbary. Tamin'iny oram-be nirotsaka ny alina iny no nahavoa azy satria dobo tao, nihandronan'ny rano nikoriana avy tany ambony ny trano. Ny tanimbary, araka izany, dobo koa. Mando noho izany ny rindrin'ilay trano, ary efa tafiditra tao ambany rihana mihitsy aza ny rano. Hany ka nalemy vokatr'izany ny biriky tamin'ny rindrina, dia nihotsaka.
Tsy nisy afa-tsy ireo olona telo mianadahy niara-nipetraka taminy tao an-tanàna ihany no afa-namonjy azy mianakavy kely tamin'ny loza.
Fa na ny fokonolona aza sahirana, nitady lalan-kidirana, noho ny rano be. Ny mpamonjy voina moa, noho ny fahataràn'ny fiantsoana azy, dia ela vao tonga teny an-toerana. Efa tafavoaky ny fokonolona ny razana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fandraharana ny fonja - Nahazo fiara vaovao. Samy nahazo fiara vaovao hitondrana ireo voafonja mivezivezy eny amin'ny Fitsarana avokoa ankehitriny ny fonjan'i Tsiafahy sy Antanimora. Araka ny fanazavana azo dia fanomezana avy tany amin'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika izy ireo. Afa-pahasahiranana amin'ny fijaliana fiara izany ireo mpiandry fonja.




Fifidianana indray
Ny ankamaroan'ny olona dia saika tsy mba mifidy, na mandeha ihany saingy dia alatsadatsany any fotsiny izay vato sendra ny tanany.
Marina fa manentana hifidy daholo izao karazana vondron-kery mandala ny zo maha olona sy ny fahamarinana rehetra izao. Mandraisa anjara amin'ny, raharaham-pirenena fa adidy masina izany. Ampiasao, ampanjakao ny zonao sy ny fahefanao amin'ny fifidianana fa olom-pirenena tsy misy anombinana ianao.
Raha mba izany tokoa moa ka toa soa ! Indrisy, fa «longoa mitoto-bozaka» ihany ireny. Tsy misy tsy mahalala ny pitsopitsony rehetra ampiasaina hamadihana ny safidim-bahoaka hakana, amin'izay tamin'ny fitondrana. Ny Ialampifidianana indrindra no tena manarontsarona ny paikady rehetra hahatongavana amin'izany.
Miaiky ny manam-panahy, rehetra fa tsy mbola nisy fifidianana madio na malalaka koa aza teto. Ny olon'ny antoko manaiky ny baikon'ny antokony fa tsy mifidy araka ny safidim-pony. Ny mpifaninana hofidina rahateo mividy ny safidin'ny mpitrongy vao homana amin'ny vola kely sy ny fotsimbary tsy mahavita taona akory, ary amin'ny fampiasana mpanakanto hanasoasoana vahoaka. Efa mahazatra rahateo ny manosihosy ny voka-pifidianana.
Mpifidy tsy an'Antoko




Johary
Un come back réussi
Le célébre quatuor des années 90 a retrouvé ses fans après queques années d'absence du showbiz. Les anciens tubes étaient au répertoire du groupe, vendredi, au Ccesca. Un spectacle à guichets fermés, car de nombreuses personnes y sont accourues.





SAMBAVA
Nohamafisina ny fandriampahalemana
Mifanaretsaka eran'ny tanàna, any amin'ny faritr'i Sava, ireo mpitandro ny filaminana. Fiarovana an'ireo mpandraharaha sy mpamokatra lavanila amin'ny asan-jilolahy no antony.
Nohamafisina ny fanaraha-maso ny fandriampahalemana
any amin'ny faritr'i Sava
iray manontolo amin'izao fotoana izao.
Izany no natao, araka ny fanazavana azo avy tamina tompon'andraikitry ny filaminam-bahoaka any an-toerana, dia noho ny vanim-potoanan'ny famarotana lavanila.
Efa manomboka mihatonga tsikelikely any amin'iny faritra iny mantsy amin'izao fotoana izao, ireo teratany vahiny sy mpandraharaha samihafa hividy lavanila. Noraisina ny
fepetra ho fisorohana ny zava-nitranga isan-karazany tamin'ireny taon-dasa ireny, eo amin'ny fandrobàna isan-karazany sy ny vonoan'olona. Miray dia, araka izany, ireo mpitandro ny filaminana rehetra any an-toerana, na ny polisy na ny zandary, manao fisavana ny karatra sy manara-maso ny fivezivezena
eran'ny tanàna.
Misy ny mandeha an-tongotra ary misy ny mandeha fiara. « Miasa andro aman'alina ireo mpitandro ny filaminana manatontosa izao hetsika izao ary tsy mijanona an-drenivohitra fotsiny fa tonga hatrany amin'ny faritra ambanivohitra any », hoy ity tompon'andraikitry ny filaminana any an-toerana ity.
Voalaza ihany koa anefa fa milamina tsara hatramin'izao ny tanàna any an-toerana. Ny mponina rahateo efa nentanina
mba hiara-hiasa amin'ireo mpitandro ny filaminana amin'ny alalan'ny fanomezam-baovao.




AMBODIVONA
Tsy mbola nesorina ireo mpivarotra
Hatramin'ny omaly, izay voalaza fa fahataperan'ny fe-potoana ipetrahan'ireo mpivarotra marobe - misy 30 tafo eo - eny amin'iny faritr'Ambodivona-Ankadifotsy iny, dia tsy mbola nisy aloha ny fanesorana.
Nosoritan'ireo mpivarotra voakasiky ny raharaha fa tsy mazava mihitsy ny fanesorana azy ireo.
Nambaran'izy ireo mantsy fa tanim-panjakana voatokana ho an'ny lalana no ipetrahany hatramin'ny taona 1974, ary efa nahazoany alalana ara-dalàna avy tamin'ny kaominina. Andoavany hetran-tany ihany koa.
Nosoritany anefa fa tsy manana didim-pitsarana amin'ny fahazoany an'ilay tany akory ilay teratany vahiny manala azy ireo eo. Toherin'izy ireo, araka izany, ny fanesorana azy ataon'olon-tsotra ankoatra ny fanjakana.




Tapatapany
Mahajanga. Kaomoriana 2 nahatrarana
vola sandoka. Vola sandoka 10 000 ariary roa valizy no indray tratra teny amin'ireo teratany kaomoriana roalahy, tany Mahajanga, ny herinandro teo. Vola sandoka iray tamin'ireo, nentiny hamitahana vehivavy lehibe mpivarotra tao an-tanàna, no nahatrarana azy. Ary tamin'ny fisavana ny hotely nipetrahany no nahitàna ireo vola sandoka be dia be ireo. Tratra tao ihany koa ny karazana ranom-panafody izay hanamboarany an'ireo vola ireo.
Tsiroanomandidy. Notanana am-ponja ireo tompon'ny hazo. Notanana ao amin'ny fonjan'i Miarinarivo, amin'izao fotoana izao, ireo telo mianadahy tompon'ilay hazo sarobidy tratry ny zandary tany Ankadinondry-Sakay. Miisa 135 ireo hazo ireo ary saika haondrana aty an-drenivohitra.
Ambato-Boeni. Adiam-balala nandripaka voly. Nahitana andiam-balala, ny 8 febroary teo, tao Andranomamy, any amin'iny faritr'Ambato-Boeni iny. Tanin-katsaka mirefy 20 metatra toradroa no indray ripaka tamin'izany. Tsy afa-nanao na inona inona ireo tantsaha tamin'ny famonoana azy noho ny fiakaran'ny rano.
Mandritsara. Miakatra ny rano. Fokontany
11 no indray ao anaty rano any amin'iny faritr'i Mandritsara iny. Miakatra izaitsizy mantsy ny renirano any an-toerana noho ny orana nifanesy. Fianakaviana eo amin'ny 59 eo, araka izany no indray traboina. Trano iray moa no
fantatra fa rava tamin'izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na olona naratra.
Toliara I. Mpianatra 11 tsy nahazaka fanafody kankana. Mpianatra 11 avy tamina sekoly tsy miankina iray tao Toliata I no indray narary tsy nahazaka fanafody kankana, ny alarobia teo. Ny 9 nitaraina ho fanina fa ny 2 tsy maintsy nampidirana seraoma mihitsy. Tsy naninona anefa izy ireo rehefa nahazo fitsaboana.




67 HA
Roalahy nisoloky ny asan'ny Jirama
Noraisim-potsiny ireo roalahy nisoloky ny asan'ny orinasa Jirama teny amin'ny 67 ha. Nampiditra jiro an-tsokosoko tamin'ny tranon'olona. Nahazoany vola 400 000 ariary izany.
Nosolokian'ireto lehilahy roa ny asan'ny orinasa Jirama. Izany hoe ry zalahy mihitsy no nandeha nanatanteraka ny fampidirana jiro tany amin'ny tokantranon'olona tany.
Tokantranon'olona iray teny amin'ny 67 ha no nanaovan'izy ireo izany, ka nahatrarana azy. Efa tamin'iny taon-dasa iny, ny volana aogositra 2007, no vitan'izy ireo ny fampidiran-jiro tao amin'ity tokantranon'olona ity.
Vita toy ireny tena ara-dalàna ireny satria tsy hoe
ny taribin-jiro miditra ao an-trano ihany no voapetraka fa hatramin'ny kaontera ihany koa. Ary dia taratasin'ny orinasa ara-dalàna izao ihany koa no nomen'izy ireo ny tompon-trano.
Saingy nandeha ny volana, tapitra ihany koa ny taona, niantomboka ny volana janoary 2008, tsy mbola nisy faktiora tonga ihany tao amin'ity tokantrano ity. Ny kaontera anefa nihodina ihany ary efa tonga hatrany amin'ny isa 200 amin'ny refin'ny fandaniana.
Taitra noho izany ireo tompon-trano ka lasa nanatona ny orinasa Jirama teto an-drenivohitra nanontany ny antony. Akory ny hatairany raha nolazain'ireo mpiasan'ny orinasa fa tsy hita ao anatin'ny lisitr'ireo mpanjifa ao aminy ny laharan'ny kaonteran'ilay tokantrano. Voalaza anefa fa nanao taratasy fangatahana izy ireo ary mba nindramana azy roalahy hikarakarany azy.
Teo no ho eo ihany dia nametraka ny fitarainany tany amin'ny polisy izy ireo ary dia natao ny fikarohana an'ireto mpisoloky.
Araka ny fanazavana azo teo anivon'ny mpitandro ny filaminana dia mpiasan'ny an-tselika ao amin'ny orinasa Jirama izy roalahy ireto ary tamin'izany no nahazoan'izy ireo ny anton-taratasin'ny orinasa. Izy ireo ihany koa no niantoka ny kaontera. Telolahy izy ireo, raha ny tena marina. Saingy ny iray izay voalaza ihany koa fa mpiasan'ny orinasa Jirama teo aloha, tsy mbola tratra.
Tany Amborompotsy Tsiafahy ny iray no tratra ary tao Anosibe kosa ny faharoa no sarona, ny faran'ny herinandro teo. Efa natolotra ny Fampanoavana, ny asabotsy teo izy roalahy ireto ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Voalaza fa nitory azy ireo hatramin'ny orinasa Jirama ihany koa.




ANDRANOMANALINA
Nanjavona ny vola 3 200 000 ariary
Vola be mitentina hatrany amin'ny 3 200 000 ariary mahery no indray nanjavona tao an-tokantranon'ity renim-pianakaviana iray monina eny Andranomanalina, ny alahady maraina teo.
Tao anatin'ny adiny telo monja no nangalaran'ny mpangalatra izany vola be izany, raha ny fanazavan'ity renim-pianakaviana tompony. « Nandeha niangona aho tamin'io fotoana io. Trano nilamina no nialako. Nefa tonga avy tany aho trano nikorontana, kidoro ambony ambany no novantaniko », hoy ity renim-pianakaviana nitantara.
« Tonga dia ilay volako tao ambany kidoro no tao an-tsaiko voalohany ary nihazakazahako nozahana. Nefa tsy nisy na inona na inona intsony tao. Ana kely aho nahita izany », hoy ihany izy.
Tovovavy iray, fianakavian'ity tompon-trano ity ihany, niaraka tamin'ny mpanampy lahy iray no niandry trano, tamin'io. Tsy nisy olon-kafa niditra.
Izy mianadahy niandry trano ireto avy hatrany, na dia nahatokisana tamin'izay tao an-trano rehetra aza teo aloha, no niantefan'ny ahiahiny.
Ny alatsinainy teo izy ireo no nosamborin'ny polisy ka natolotra ny Fampanoavana omaly.




ANDRANOVELONA
Niala voly ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana
Nahomby ny ala voly teny Andranovelona izay nokarakarain'ny mpanao gazety mikirakira ny trangan-javatra miseho eny anivon'ny fiaraha-monina, ny asabotsy teo. Tao amin'ny Centre Milasoa, toerana malalaka azo andraisana fivoriana na lanonana samihafa no nanatanterahana izany.
Misy trano heva sy fandraisam-bahiny koa ao aminy, ary azo itsangatsanganana tsara satria sady toerana fiompian-trondro manara-penitra koa.
Ka sady afa-boly ny saina no nahita maso ihany koa izany tetik'asa goavana izany. Niara-nandray anjara tamin'ireo mpanao gazety tamin'izany ny avy ao amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, izay mpiara-miasa akaiky aminy.
Tratra, araka izany, ny tanjona satria vao mainka nisy ny fifamatoran'ny fiaraha-miasa eo amin'ny telo tonta.
Ny kaompania Vidzar, ny orinasa Transit malaky, ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena, izay isaorana manokana eto, ireo no indray nanohana ny hetsika.




Tapatapany
Andohatapenaka. Polisy voarohirohy tamina halatra vy. Karazam-by maromaro fanaovan-trano no indray saron'ny zandary teny Andohatapenaka, ny alakamisy alina teo. Tratra nentina fiara teny Talatamaty. Saingy nitsoaka ilay mpamily rehefa hisakana azy ny zandary ka tany Andohatapenaka vao tratra. Olona 8 no indray voarohirohy tamin'io raharaha io ka polisy ny iray.
Ambohitrimanjaka. Roa vavy nentin'ny rano. Tsy hita popoka hatramin'izao ilay vehivavy roa nentin'ny renirano, omaly tolakandro, teny amin'iny faritr'Ambohitrimanjaka iny. Teo am-panasana lamba izy ireo no tra-doza. Niezaka nikaroka azy nandritra ny adim-pamantaranandro maro ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna. Saingy tsy nahitam-bokatra. Ary nilaza ny hiverina anio maraina.




ANKORONDRANO
Ankizilahikely voadonan'ny fiara
Afaka nody avy hatrany taorian'ny fitsaboana natao azy, na dia tsy nahatsiaro tena kely aza, ilay mpianatra nodonin'ny fiara 4x4 teo Ankorondrano, omaly maraina.
Ankizilahikely, Andry (10 taona), mpianatra ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra ao Ankorondrano no naratra nodonin'ny fiara 4x4, omaly maraina tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka fahefany teo.
Torana tsy nahatsiaro tena kely mihitsy izy raha vantany vao voa. Niakarapoka tamin'ny tany mantsy izy ary ny tongony havanana no naratra nodilirin'ny kodiaran'ny fiara. « Tsy misy atahorana ny momba azy », hoy ireo mpitsabo teo Ankorondrano nikarakara azy.
Raha ny fanazavan'ireo fokonolona nahita ny fisehoan'ny loza, izay nohamafisin'ny talen'ny sekoly nianaran'i Andry, Andriamialijaona Pascal, dia tao anatin'ilay faritra kely natokana hiampitàn'ny mpandeha an-tongotra mihitsy izy no nodonin'ilay fiara.
Nosoritany fa handeha hanao cours ao amin'ny fokontanin'Ankorondrano atsinanana, izay tontosain'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana iray ho an'ireo mpianatra tsy mahavoa loatra ao amin'ity sekoly ity i Andry tamin'io. Hamonjy fidirana amin'ny 9 ora maraina izy. « Eny Andranomahery izy no mipetraka. Ka izay no nahatonga azy niampita ny arabe, izay efa ampianarina ny mpianatra ny fomba fiampitàna azy », hoy izy.
Notsindrian'ity tompon'andraikitry ny fampianarana ity fa tsy vitan'ny misy toerana natokana hiampitàn'ny mpandeha an-tongotra fotsiny eo amin'ny arabe, fa mbola misy marika famantarana natokana ho an'ny mpamily fiara ihany koa amin'ny fisian'ny mpianatra eo an-toerana.
Ka tokony hitandrina, araka izany, ny mpamily fiara mandalo eo.
« Nandeha moramora aho. Ary efa tafiditra tao anatin'ilay faritra voatokana ho an'ny mpandeha an-tongotra no niampita ilay zaza. Nihazakazaka izy, ary efa niala azy aho. Saingy niverina izy, ka izay no nahavoadoana azy », hoy kosa indray ilay mpamily nitondra an'ilay fiara 4x4. Nosoritany fa somary efa tany amin'ny sisin-
dalana natokana ho azy izy no nandeha.
Na izany na tsy izany, teo ihany ilay mpamily fiara dia nandray ny andraikiny ka nitondra ilay zaza notsaboina haingana tao amin'ny toeram-pitsaboana iray teo Ankorondrano, nialohan'ny nitondrana azy tany amin'ny hopitaly lehibe nanaovana fitiliana hafa.




HETRAKETRAKA
Renim-pianakaviana norasarasaina ny antsy
Naratra mafy tokoa ilay renim-pianakaviana iray nanamparan'ity tovolahy ny habibiany teny Itaosy, ny alarobia hariva 6 febroary teo. Dian'antsy telo be izao no indray nataon'ity tovolahy ity taminy. Ny iray teo amin'ny tendany, ny faharoa teo amin'ny sandriny ary ny fahatelo teo amin'ny tongony. Izany hoe norasarasainy ny antsy mihitsy.
Raha ny fanazavana azo, dia tsy tena famonoana no nataon'ity tovolahy ity tamin'ilay renim-pianakaviana, fa hetraketraka fotsiny izao. Likilikim-piainana amin'ny tsy fahazoana an'ilay renim-pianakaviana hiaraka aminy, araka ny vaovao azo. Tezitra tamin'izay izy ka nony nifanena taminy tamin'ny andro maizimaizina ilay renim-pianakaviana dia nanamparany ny hasosorany. Tsy tratra tamin'io fotoana io moa ilay lehilahy nahavanon-doza, fa ny talata teo vao sarona.
Eo am-pelatanan'ny zandary, araka izany, ny raharaha.




Tapatapany
Ankadimbahoaka. Mpiasan'ny orinasa afakaba voaroaka. Tafapaka eny anivon'ny "tompon'andraikitry ny fanadihadiana ny asa" ao amin'ny minisiteran'ny Asa sy ny lalàna sosialy ankehitriny ny olan'ireo mpiasa voaroaka avy ao amin'ny orinasa afakaba iray eny amin'iny faritr'Ankadimbahoaka iny. Mpiasa 50 eo izy ireo no voakasik'ity raharaha ity.
Ambohitrimanjaka. Hita ny fatin'ilay
lehilahy dobo an-drano. 30 metatra miala an'ilay toerana nahalatsahan'ilay lehilahy sy vehivavy tao anaty rano teny Ambohitrimanjaka iny, ny talata hariva teo, no nahitàna ny fatin'ilay lehilahy. Mpanjono vao maraina no nahita azy ary mbola izy irery ihany aloha no hita hatramin'izao. Ilay vehivavy mbola karohina.




MAHAMASINA
Atomboka anio ny fanesorana ireo mpivarotra
Roso ka tsa mimpody koa! Hanomboka anio ny fanadiovana ny tsenan'i Mahamasina isaky ny alakamisy. Izany hoe ny fanesorana ireo mpivarotra amin'iny faritra manodidina ny fahitalavitra Record, ny biraon'ny polisy, ny sisin-dalana anoloan'ny hopitaly fiterahana ary iny manoloana ny sekoly fianarana ho mpitsabo iny. Mpivarotra eo amin'ny 450 eo izy raha ny fanisana nataon'ny tompon'andraikitra no indray voakasik'ity fanesorana ity.
Araka ny fanazavan'ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny tsena eto Antananarivo renivohitra, Radaoroson Arsène, dia efa misy ary vonona ny toerana hametrahana an'ireo mpivarotra rehetra ireo. Nisy ny fandaminana natao tamin'ny tsena manodidina ny kianjan'i Mahamasina, dia tao anatin'izay no nahafahana nametraka an'ireo mpivarotra rehetra ireo.
Nosoritany fa tsy fanilihana ireo mpivarotra no natao fa asa fanadiovana amin'ny fanatsarana ny tanàna, ka izay no tsy maintsy niezahana nikarohana toerana ho an'ireo mpivarotra 450 nipetraka teny ireo.




TSENAN'I MAHAMASINA
Tsy nahomby ny asa fanadiovana
Samy manao izay tiany hatao ! Tsy mahatohitra ireo mpivarotra mihitsy amin'ny fanadiovana ny tsenan'i Mahamasina ireo mpiasan'ny kaominina.
Tsy nahomby ny asa fanadiovana ny tsenan'i Mahamasina nataon'ireo tompon'andraikitry ny tsena, omaly. Izany hoe ny fanesorana ireo mpivarotra amin'iny faritry ny « Cité du jardin » iny, izay toerana misy ny biraom-panjakana toy ny kaomisarian'ny polisy sy ny hopitaly. Ny ilany avaratry ny sisin'ny tambohon'ny kaomisarian'ny polisy sy ny manoloana ny vavahady fidirana ao amin'ny hopitaly fiterahana ao Befelatanana fotsiny no niala, dia toy ny teo aloha ihany ny zava-misy. Niverina nivarotra tamin'ny toerany ihany ireo mpivarotra. Ankilany, ireo mpivarotra sasany koa tsy mety miala fa midrikina eo amin'ny toerany ihany.
Efa fanintelony anefa izao, raha ity tsenan'i Mahamasina ity manokana, no efa nanaovana fanadiovana toy izao. Fa tsy mety tanteraka hatramin'ny farany. Esorina ireo mpivarotra dia averina mivarotra indray ! Toy ny kilalaon-jaza e !
Fanazavan'ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny tsena eto anivon'ny tanànan'Antananarivo moa ny hoe tsy vita indray mandeha ny asa fa mandeha miandalana. Nosoritany aza fa hatrany amin'ny 75%-n'ny hetsika natao no efa vita.
Mizana tsindriana ila
Ho an'ireo mpivarotra voakasiky ny fanesorana omaly, indrindra iny miankina amin'ny tambohon'ny polisy iny, dia nosoritan'izy ireo fa misy zavatra tsy mazava ny endriky ny fanesorana ireo mpivarotra.
« Rehefa esorina dia tokony esorina daholo fa tsy asiam-panavahana, satria samy miankina amin'ny tambohon'ny polisy daholo. Izahay efa telo taona izao no nivarotra teto. Nefa ny olona tonga tamin'ny volana desambra indray no nomena alalana hivarotra », hoy izy ireo.
Notsindrian'izy ireo fa tsy mandà ny fandaminana izy. Saingy ny famelàna ny hafa hivarotra nefa ny sasany sakanana no tena mampalahelo azy ireo.
« Fatiantoka hatrany amin'ny 150 000 ariary no babenay amin'izao tsy fahafahanay mivarotra izao, satria tsy maintsy aloa ny karaman'ny mpanjaitra, ny saran'ny fiarakaretsaka, ny mpibata ny trano vy », hoy R. Hanitra mpivaro-damba vita zaitra iray nesorina tamin'iny sisin'ny tambohon'ny polisy amin'ny ilany avaratra iny.





AMBODIMITA
Mpandeha 5 naratry ny lozam-pifamoivoizana
Mpandeha 5 no indray naratry ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodimita tamin'iny lalana digue iny, afak'omaly hariva tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany teo. Fiara kely Damas iray hianavaratra toy ny ho any Ambohibao no nodonin'ny fiara 4x4 iray izay hianatsimo.
Kely sy lehibe no nifandona ka potika mihitsy
ilay fiara Damas kely, indrindra fa tamin'iny faritra
nanandrify ny mpamily sy ny tao aoriany iny. Nipitika ary saika nifatratra tany an-tanimbary mihitsy ity fiara kely ity raha tsy nisy an'ilay fiara taxibe iray izay sendra nijanona tamin'ny sisin-dalana, nanala olona.
Olona telo no tao anatin'ilay Damas, ary saika naratra mafy avokoa.
Tao ny tapa-tongotra, tao ny tapa-tanana. Ny tao anatin'ilay fiara 4x4 kosa, izay tsy dia naninona loatra
afa-tsy ny fitaratra anoloana izay vaky sy somary niala tamin'ny toerany, dia tsy dia naninona firy.
Afa-nandeha nody avokoa ireo roalahy tao anatiny taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo azy.
Tsy fantatra mazava izay tena fisehon'ny loza satria tsy tratra teny an-toerana ireo niharam-boina. Efa tonga teny an-toerana nijery sy nanao fitsirihana ny zava-nisy moa ny polisy avy ao amin'ny sampana miandraikitra ny lozam-pifamoivoizana.





AMBATOFINANDRAHANA
Sefom-pokontany notanana am-ponja
Nahitam-bokany ny hetsika fampandrian-tany notontosain'ny andiana mpitandro ny filaminana - izay ahitana polisy, zandary ary miaramila , tany amin'iny faritr'Ambatofinandrahana iny. Ankoatra ny fanaraha-maso sy fitsongoana dia ireo dahalo mpandravarava sy mpampihorohoro ny mponina tsy hahafahany mamokatra mantsy dia anisan'ny nataon'izy ireo lahasa ihany koa ny fisavana ny taratasin'omby. Ka tsy ny dahalo ihany no nohenjehina tamin'izany fa nokendrena ihany koa ny hamongotra ireo dahalo ambony latabatra.
Nisy dia nisy tokoa, araka izany, ny vokatra satria sefom-pokontany iray avy ao amin'ny fokontanin'Ambalamahatsara, kaominina ambanivohitr'i Fenoarivo, distrikan'Ambatofinandrahana, no tratran'izy ireo tamin'ny fikirakirana taratasin'omby tsy mazava. Izany hoe ny fanadiovana taratasin'omby halatra amin'ny fanaovana hosoka taratasim-panjakana isan-karazany.
Fifandrimbonana
Tsy izy irery no voarohirohy tamin'ity raharaha ity, rehefa nandeha ny famotorana, fa hita ho niray tetika taminy ihany koa tamin'izao raharaha izao ny lehiben'ny fivondronam-pokontany momba ny fitantanan-draharaha any an-toerana. Saingy rehefa natao ny fanolorana azy ireo ny Fampanoavana tao Ambositra dia ilay sefom-pokontany ihany no notanana am-ponja vonjimaika fa ity farany nahazo fahafahana vonjimaika. Ankoatr'izay dia basim-borona iray sy basy poleta iray, izay tsy misy taratasy mazava ny fihazonana azy, no azon'ireo mpitandro ny filaminana. Omby 13 tsy nisy taratasy mazava ihany koa no nogiazana.




AMBODIVONA
Tratra ny iray tamin'ireo nanendaka mpanao gazety
Notafihina ary noendahin'ny jiolahy telo, ny harivan'ny alarobia teo teny Ambodivona, ny mpanao gazetin'ny Hebdo de Madagascar. Nobedain'ireo jiolahy izy ary nambanany ny basy sy notifiriny big-boss, dia nosintoniny ny kitapo teny am-bozonany. Very tany anatin'izany avokoa, ankoatra ireo antontan-taratasy maro samihafa mikasika an'ity mpiasan'ny serasera ity, ny finday telo karazana sy ny fakan-tsary numérique.
Tsy nandingana firy akory anefa ny fikarohana natao izay niarahana tamin'ny polisim-pirenena avy eny Ankrondrano, dia noraisim-potsiny teny amin'ny Petite Vitesse ny iray tamin'ireo jiolahy. Teo am-pikirakirana ny finday iray avy nangalariny mihitsy ranamana ity no tratra. Noheveriny ho bado ka tsy hahatadidy ny endriky ny findainy sy ny endrik'ireo nanendaka azy angamba ity notafihiny satria alina ny andro, ka tsy tahotra tsy henatra mihitsy izy nikitikitika ilay finday. Ilay finday rahateo nantsoina, mbola naneno soa aman-tsara.
Mbola mandeha ny fikarohana ary eo am-panenjehana ireo namany ny polisy amin'izao fotoana izao.




Tapatapany
Antsalova. Mpianaka natsingevan'ny rano. Hanjono, ny asabotsy teo, no anton-dian'ity renim-pianakaviana nitaiza kely (zaza sivy volana) tao amin'ny tanànan'Ambondrona, amin'iny faritr'Antsalova iny. Kanjo ny fatiny efa natsingevan'ny rano vao hitan'ny fokonolona. Ilay renim-pianakaviana nahitàna faritra loaka teo amin'ny vatany. Ilay zazakely kosa tsy nisy tomika ny vatany.
Ankazobe. Torana ilay raim-pianakaviana . Torana tsy nahatsiaro tena ilay raim-pianakaviana nanaovan'ny vadikeliny herisetra tany Ankazobe, omaly. Teo amin'ny ankasarotan-drangahy mihitsy mantsy no nopotserin'ilay ramatoa. Tsaboina ao amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao.
Anosy. Dadararabe natolotra ny Fampanoavana. Noho ny fahanterany, satria efa mananika ny 75 taona, dia nomen'ny tao amin'ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika ilay lahy antitra iray sady Dadarabe, voarohirohy tamina resaka halatra, tao amin'ny fokontanin'i Belanitra ao amin'ny kaominina ambanivohitr'Imerimandroso, distrikan'Ambohidratrimo. Halatra gisa no nahavoarohirohy azy tamin'izany.




Herinaratra
Tapitra ny delestazy eto Antananarivo
Milamina ankehitriny ny resaka delestazy raha ny eto an-drenivohitra sy ny faritra manodidina azy. Amperin'asa hanampy ny famokarana angovo ny milina lehibe iray vaovao.
Vita hatreo ny amin'ny resaka delestazy. Notokanana, omaly, teny amin'ny foiben'ny famokarana angovo eo anivon'ny orinasa Jirama eny Mandroseza, ny milina
lehibe iray mpamokatra herinaratra.
Izy ity no hanampy ireo milina mpamokatra herinaratra dimy efa misy eto amin'ny faritry ny renivohitra ao Andekaleka, Mandraka, Antelomita, Ambohimanambola ary Mandroseza.
Mahatratra hatrany amin'ny 40 « megawatts » ny angovo vokariny, izany hoe mahafeno tsara ny famatsiana angovo ilain'ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy.
Fantatra mantsy fa mahatratra hatrany amin'ny 151
« megawatts » ny angovo ilain'ny mponina amin'ireo faritra ireo amin'izao fotoana izao, noho ny fandrosoan'ny tanàna sy ny firoborobon'ireo orinasa maro. Tafiditra ao anatin'izany, ny faritr'i Vakinankaratra, Alaotra-Mangoro ary Itasy. Tsy mahavokatra afa-tsy angovo 146 « megawatts » ireo milina lehibe mpamokatra herin'aratra efa nisy hatramin'izay, ka izay no nampisy ny delestazy teo aloha.
Ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ny governemanta
« hollandais » no nahazoana an'izao vokatra lehibe izao, izay mitentinta hatrany amin'ny 31 tapitrisa euros.
Ny filohan'ny Repoblika, Ravalomanana Marc, mihitsy no tonga teny Mandroseza nitokana izany. Nambarany mazava fa dingana lehibe vitan'ny fitondram-panjakana io milina lehibe io.
« Tao anatin'izay 27 taona izay dia izao indray vao mba nisy famokarana angovo mifanaraka amin'ny filan'ny mponina sy amin'ny vidiny mirary », hoy izy. Ary dia nisaotra ny fitondram-panjakana « hollandais », izay angady nananana sy vy nahitàna izany, izy.





Antanimora
Adala nohazonina am-ponja
Nahita ny fonjan'Antanimora tsy fidiny, nandritra ny andro maromaro, ity lehilahy iray, Razanakolona Jaona (40 taona) nosamborin'ny mpitandro ny filaminana teny Manakambahiny, ny alin'ny 30 janoary teo. Marary saina mantsy izy, raha ny fanazavan'ny rahalahiny, Rapahary Jean Lalao. Rehefa nojerena dia ny tsy fananany kara-panondro no nahatonga azy ho tafiditra teny am-ponja.
Nosoritan'ity rahalahiny ity fa tsy hita nanomboka ny 29 janoary teo i Jaona ary efa nanaovan'izy ireo filazana tamin'ny gazety. Nahita an'iny ny fokonolona teny Manakambahiny, izay nisambotra azy, ka niantso ny fianakaviany ary izay no nahafantarany ny nisy azy.
« Nisodisody teny an-toerana tamin'ny andro alina izy tamin'io fotoana io, ka noheverin'ireo fokonolona ho jiolahy dia niantsoany polisy. Mbola nanamafy izany ny famotorana vonjimaika natao taminy, satria noheverin'ireo fokonolona ihany, tamin'ny valin-teniny, ho nisary adala izy ary izay no nanatonga azy ireo niantso ny polisy », hoy ny rahalahiny.
Natolotra ny Fampanoavana noho izany i Jaona. Notsaraina mihitsy ihany koa ary voaheloka higadra mandritra ny enim-bolana, sazy mihantona. Nefa hay tena marary saina ny lehilahy !




Finoana
Hamoaka raki-kira ny « Anjomara Anosivavaka »
Vita ary havoaka amin'ny fomba ofisialy, rahampitso, ny raki-kira novokarin'ny antoko mpihira Anjomara ao amin'ny fiangonana Fjkm Anosivavaka-Ambohimanarina.
Nifampiresaka tamin'ny mpanao gazety omaly ny filoha mpanampy ao amin'ny antoko mpihira, Andriamboavonjy Jaona, teny amin'ny trano fisakafoanana « Bon accueil », eny Ambatonakanga. Nolazainy fa ity raki-kira ity no vokatra fahatelo hatramin'izay niorenany.
Ny taona 1966 mantsy ny Anjomara no niorina ary efa mananika ny 42 taona izy amin'izao fotoana izao.
« Tsy tratry ny saina » no lohateny nampitondraina an'ity raki-kira fahatelo ity. Ahitàna hira 11 izay tsy mivoana amin'ny asa fitoriana ny filazantsara imasoan'ny Anjomara ary maneho ihany koa ny gadon-kira milamindamina mampiavaka azy.
Ambonin'ireo hira ireo anefa dia mbola misy roa hafa fanampiny, « Andriamanitra tsy mba mandao » sy
« Akaikinao Andriamanitra », izay anisan'ny hira nataon'izy ireo tamin'ny fifaninanana « Raise your voice » ka nahahazoany ny loka voalohany.
Miroborobo ny antokom-pihira satria efa mananika ny 90 ny isan'ireo mpikambana ao aminy amin'izao fotoana izao.




Vaovaotapatapany
Tetsy sy teroa
Ankorondrano - Fiara 4x4 nitsoaka nandona fiaran'olona. Lasa nirifatra nitsoaka ilay mpamilin'ny fiara 4x4 « Prado » iray, 0652 TAK, izay nanao « manoeuvre » teo Ankorondrano, teo amin'ny toerana fiantsonan'ny fiaran'ny mpanao gazetin'ny « L'Express de Madagascar ». Nandona ny fiara 309 an'ny mpanao gazety, nijanona teo.
Manakara - Fiara nidofotra nahafaty ny mpamiliny. Maty tsy tra-drano ilay polisy nitondra fiara « Golf » niharan-dozam-pifamoivoizana tao Manakara, ny alarobia alina teo. Tany amin'ny vodi-hazo avy hatrany mantsy ny fiara nentiny no nifatratra. Mafy ny fisehoan-javatra satria potika tsy nisy noraisina ilay lohan'ilay fiara.
Nangonin'i




AMBATOROKA
Mpivady nianjeran'ny rindrim-bato
Mpivady kely no indray tototra, nianjeran'ny rindrim-bato teny Ambatoroka, omaly tolakandro. Ny ora-nikija nentin'ny fandalovan'ny rivo-doza Ivan no nahatonga ny loza.
Avotra soa aman-tsara ireto mpivady kely nianjeran'ny rindrim-bato teny Ambatoroka, omaly hariva. Rindrim-bato lehibe, avy tao andamosin'ny tranony no nironjona ka nifatratra teo ambony tranon'izy mivady. Ilay ora-nikija takariva iny no nahatonga ny loza. Rava, araka izany, ilay trano nitoerany ka tototra tao izy mivady.
Ilay ramatoa aloha, izay marihina fa bevohoka, dia fotoana fohy taorian'ny nisehoan'ny loza ihany dia avotry ny fokonolona. Fa ilay rangahy vadiny no somary nanahirana, satria tsy afaka mihitsy raha tsy nisy ny fanampian'ny mpamonjy voina.
Dobo rano ny faritra iva
« Tena tototry ny biriky sy ny béton be tao mihitsy ny vatany manontolo. Ka izay no somary nanano sarotra kely ny fanavotana azy. Vatan-dehilahy maro mihitsy no indray nibata ilay béton nanindry azy », hoy ny mpamonjy voina nisokitra azy teny an-toerana. Nomen'ireo mpamonjy voina ny fameloman'aina maika moa izy ireo,vao nentina namonjy hopitaly.
Na dia tsy nandalo mivantana teto an-drenivohitra aza mantsy, omaly, ity rivo-doza ity, araka ny haben'ny velarany dia nahakasika an'Antananarivo ny ro-
tsak'orana nentiny. Saika dobo rano avokoa ny faritra iva teto an-drenivohitra.
Tao anelanelan'i Sainte-Marie sy Fenoarivo atsinanana moa, omaly maraina tamin'ny 6 ora, no niditra an-tanety ilay rivo-doza Ivan. Mianatsimo atsinanana ny diany ka tao Tsaratanàna no nisy ny foibeny tamin'ny 5 ora hariva. Somary nihanalefaka, ny heriny (75 km/ora ny fikisahany ary 105 km/ora kosa ny fitsoky ny rivotra entiny). Saingy noho izy be velarana dia saika nahakasika ny Nosy manontolo ny andro ratsy nentiny.





SAINTE-MARIE
Olona sivy tototry ny trano
Olona sivy no indray nianjeran'ny trano tany Sainte-Marie, omaly maraina. Trano fandraisam-bahiny lehibe iray any an-toerana, antsoina hoe Antsara,ao Ankirihiry, raha ny fanazavan'ity raim-pianakaviana manan-janaka niharan'izany voina izany, no nirodana. Vokatry ny fidiran'ilay rivo-doza Ivan tany an-toerana no nahatonga izany.
« Tokony ho tany amin'ny 8 ora tany ilay zanako no niantso ahy avy taty Antananarivo. Ary minitra vitsy taorian'izay dia tapaka ny antsony.Toy izany avokoa ny fifandraisana rehetra tao Sainte-Marie », hoy ity raim-pianakaviana ity. Misy amin'ireo niharam-boina no teratany vahiny izay tao amin'ity trano ity.
Tsy fantatra izay niafaran'ireto olona ireto amin'izao fotoana izao. Na ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny sampan-draharaham-panjakana amin'ny fisahanana ny loza voajanahary na ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) toy itony aza, dia samy nilaza ny tsy fahafantarany ny tena zava-misy marina any Sainte-Marie.




Tapatapany
Antohomadinika. Lehilahy mpanao herisetra amin-jazalahy. Ankizilahy kely maromaro no efa nitondra faisana tamin'ity lehilahy lehibe iray efa mananika ny 46 taona. Ka rehefa nandeha ny fikarohana dia tratra ranamana. Natolotra ny Fampanoavana ny zoma teo izy, ary notanana am-ponja vonjimaika.
Ambodivona. Jiolahy nanendaka notanana am-ponja. Any am-ponjan'Antanimora amin'izao fotoana izao, notanan'ny mpitsara tao amin'ny Fampanoavana, ilay jiolahy tratra nanendaka mpanao gazety teny Ambodivona. Tratra ambodiomby teo am-pivarotana an'ilay finday azony tamin'izany izy.
Finoana. Noraisin-tanana ny mpitandrina ao Antsampandrano. Nahazo mpitandrina vaovao ny fiangonana FJKM Antsampandrano Fiderana, amin'iny faritr'Ankadikely Ilafy iny. Omaly, nandritra ny fanompoam-pivavahana natao, no nanaovanan'ireo mpivavaka ao aminy ny fandraisan-tanana azy.




AMBOHIMANARINA
Nianjeran'ny trano izy 15 mianaka
Avotra avokoa ireo 15 mianaka nianjeran'ny trano teny Anosivavaka Ambohimanarina, omaly alina. Nihotsaka nidina no fianjeran'ilay trano ka izay no nahaavotra azy ireo.
Nianjeran'ny trano teny Anosivavaka Ambohimanarina, omaly alina izy 15 mianaka. Soa fa avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo. 9 mianaka izy no indray naratra tamin'izany. Tao ny tataky ny tafon-trano, vaky loha, voatsindrin'ny biriky, tototry ny tany. Nisy mihitsy aza ny nipitika teny an-tokontany . Saingy ny roa tamin'ireo no tena voa mafy, dia ilay renim-pianakaviana tompon-trano, Rasoazanany Marie Marthe sy ny zanany kely, Safidy Fanantenana. Nianjeran'ny béton avy tamin'ny tongo-davarangana ilay vehivavy, fa folaka tamin'ny niankarapohany kosa ilay zaza.
Reny afa-jaza
Tao amin'ny rihana farany ambany nipetrahan'ireto telo mianaka mpanofa no nisehoan'ny fambara.
« Toy ny nihempakempaka izany daholo ny rindrina tao aminay. Lasa aho nian-tso ny tompon-trano tao ambony. Nidina izy nijery, kanjo tsy tafavoaka ny trano akory izahay dia nihotsaka ilay trano », hoy Raheliarisoa Mamy Niaina, renim-pianakaviana nipetraka tao ambany rihana. Bevohoka roa volana eo izy, ary afa-jaza mihitsy vokatr'izay. Tototry ny tany sy ny biriky hatreo amin'ny tendakeliny izy.
« Ny lohako sisa no nipoitra. Ary izay no nahitan'ny fokonolona ahy », hoy izy.
Trano gasy efa somary tranainy ihany ilay izy. Kanefa vokatry ny hamandoana lava avy tamin'ilay lava-piringan'ny sekoly ao andamosin'ny trano no nahatonga ny firodanana. « Mandon'io ilay fototra, satria teo no niainga ilay vovoka sy rindrina niempaka tao ambany rihana », hoy izy ireo.
Ny mpamonjy voina tao Tsaralalàna moa no tonga teny an-toerana nisokitra an'ireo niharam-boina rehetra.





AMBOHIDRATRIMO
Ray nanapoizin-janaka
Zanany efatra mianadahy no indray nopoizinin'ity raim-pianakaviana iray, tao Ambohitsaratelo Ampangabe, Ambohidratrimo, ny asabotsy teo. Nomeny ronono nisy poizim-boalavo, ary saika homeny hatramin'ny vadiny ihany koa. Saingy tsy tafasotro an'ilay ronono ilay ramatoa. Nitaraina ho fanimpanina izy efatra mianadahy, minitra vitsy taorian'ny nisotroany an'ilay ronono. Ilay vavimatoa,
9 taona, moa dia voalaza fa niankarapoka mihitsy.
Taitra ny renin'ireto zaza nahita ny fahavoazana tampoka teo, ka niantso vonjy tamin'ny manodidina. Nampihinanina atody manta avy hatrany aloha izy efatra mianadahy mba handoavany, izay vao nentina tany amin'ny hopitaly. Ny mpitsabo tao amin'ny hopitaly no nilaza taminy fa voapoizina ireto zanany. Avy hatrany dia tany amin'ilay rainy, izay nitondra mofo sy ronono ho azy ireo, ny sainy. Nampandre ny mpitandro ny filaminana izy, ka nosamborina ilay raim-pianakaviana.
Raha ny vaovao azo dia resaka tsy fisiam-bola tao an-trano no nahatezitra an'ity raim-pianakaviana ity. Efa fanindroany izao izy no nanapoizina ny vady aman-janany. Notanan'ny tao amin'ny Fampanoavana am-ponja vonjimaika any Antanimora avy hatrany izy, omaly maraina.




Tapatapany
Mahajanga. Palissandre 35 isa tratra. Tratry ny zandary avy ao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga indray, ny 15 febroary teo, ny hazo sarobidy palissandre efa vita karakara miisa 35. Renim-pianakaviana iray (45 taona) no tratra nitondra izany.
Ambatolampy. Vehivavy maty an-drano. Tao amin'ny reniranon'i Nosilava ao Ambatolampy Tsimahafotsy, ny alahady antoandro teo, no nahitan'ny fokonolona ny fatin'ity vehivavy iray, manodidina ny 26 taona, monina eny an-toerana. Araka ny mpitsabo dia vokatry ny aretina nitaiza azy no nahatonga ny fahafatesany.
Soavimasoandro. Lehilahy matin'ny herin'aratra. Maty tsy tra-drano, ny alahady teo, ilay lehilahy main'ny herinaratra teny Soavimasoandro. Andrin-jiro iray teny an-toerana no voakasiny tamin'iny ora-nikija iny. Tonga dia napitik'ilay herin'aratra izy ka maty tsy tra-drano.




Andro ratsy - Anosimahavelona
Olona 1200 no indray tra-boina
Vaky ny fefilohan'Ikopa eo Anosimahavelona. Dobo rano ny tanàna iray manontolo. Tra-boina 1200 mahery no indray natoby eny amin'ny Smart Tanjombato.
Vahoaka sesehena no indray novonjena nesorina tamin'ny tanànany teny Anosimahavelona, eo anelanelan'Anosizato sy Ankadimbahoaka, omaly.
Raha ny tarehi-marika voaray teo anivon'ny sampana mpamonjy voina, dia efa mahatratra hatrany amin'ny 1200 any no indray navotana tao, nanomboka tamin'ny talata maraina tamin'ny 1ora ka hatramin'ny 3 ora hariva nanoratana ny lahatsoratra. Mbola mitohy anefa ny fitaterana olona.
Tonga hatrany an-tranon'olona mantsy ny ranon'Ikopa ary dia lasa toy ny nosy kely iny tanànan'Anosimahavelona iray manontolo iny. Manomboka eo akaikin'ny tsenaben'ny Smart Tanjombato iny mipaka hatreny amin'ireo tanàna kely manamorona ny fefilohan'Ikopa.
Raha ny fanazavan'ny mponina eny an-toerana anefa, dia manodidina ny 2000 eo ny isan'ireo olona mipetraka amin'iny faritra iny.
Fefiloha vaky
Ny mpamonjy voina sy ny miaramila avy ao amin'ny « corps de protection civile » no tonga teny an-toerana nitatitra ireo fokonolona. Vedety haingam-pandeha 2 (iray an'ny mpamonjy voina, iray hafa an'ny miaramila), ary lakana lehibe vita amin'ny varahina 2 izay an'ny mpamonjy voina, no niasa teny an-toerana nitaterana ny olona.
Noho ny fahavakisan'ny fefilohan'Ikopa amin'ny ilany atsimo andrefana iny no nahatonga ny voina teo amin'ireto fokonolona ireto. Vaky eo amin'ny 30 ka hatramin'ny 35 metatra eo mantsy ity fefiloha ity, ary izay no nampitosaka ny rano tany an-tanàna.
Trano iray no rava tao Anosimahavelona ary olona mianaka roa no naratra tamin'izany, izay novonjena tany amin'ny hopitaly.
Sady mitatitra olona no mbola mamonjy voina izany ireo mpamonjy voina, satria ankoatra ireo nianjeràn'ny trano tsy maintsy novonjena dia nisy olona iray narary tao an-tranony ihany koa navotana tao. Tonga dia naterina tany amin'ny hopitaly.
Tao ihany koa ny teraka tampoka teny am-pamonjena azy. Tonga ihany koa dia nentina ary naterina any amin'ny hopitaly fiterahana ao Befalatanana.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny talen'ny fitantanan-draharaha ankapobeny sy ny lafintany eo anivon'ny faritr'Analamanga, Ravomanana Vincent. Nosoritany fa efa hatramin'ny alatsinainy ireto olona teny Anosimahavelona ireto no nasaina niala ny fonenany, fa nandà tsy nety nandeha. Tamin'ny misasak'alina izy ireo vao niantso ny mpamonjy voina hanavotra azy.
Na izany na tsy izany dia nomarihiny fa tsy maintsy hisy ny fepetra amin'ny fanorenan-trano amin'ny faritry ny fefiloha, aorian'izao raharaha izao, hiarovana ny fefiloha.
« Misy amin'ireo trano eny an-toerana no miorina eo ambony fefiloha. Hany ka mampahalemy azy », hoy izy.





SAINTE-MARIE
Velona avokoa ireo olona 8 nianjeràn'ny trano
Velona avokoa, tsy nisy naninona, ireo olona 8 nianjeràn'ny trano tao amin'ny hotely Antsara tany Sainte-Marie tamin'ny fidiran'ilay rivo-doza tany an-toerana, ny alahady maraina teo. "Avotra avokoa izy rehetra. Izy ireo ihany no nanavotra ny tenany niala ny loza nahazo azy", hoy ny rain'ilay teratany malagasy tafahitsoka tao amin'io trano nianjera io.
Raha ny vaovao azo avy tany an-toerana, dia tsy ny hotely Antsara iray manontolo no ravan'ny rivo-doza fa ny ampahany ihany. Ary tamin'ny ilany tsy ravan'ny rivo-doza izy ireo no namonjy nialoka mandra-pisavan'ny rivotra nifofofofo.
Potika tanteraka sady azo lazaina ho mitoka-monina amin'izao fotoana izao i Sainte-Marie. Potika ny lalana, rava ny tetezana, anisan'izany ny tetezana amin'ny "digue" mampitohy ny Ilot Ambodifotaka sy ny Ilot Madame ary ny tetezana iray faharoa mampitohy an'i Ilot Madame sy Belle Vue. Tsy afaka andehanan'ny fiara na ny moto, araka izany, ireo lalana ireo.
Hazo sy taribin-jiro tapaka, misy andrin-jiro ihany koa, izany no hita saika manerana ny tanànan'i Sainte-Marie ary dia tsy misy, araka izany, ny fifandraisana amin'ny finday amin'ireo tambazotran'ny "Orange" sy ny "Celtel". Torak'izany ihany koa ny herin'aratra.
Hatramin'izao, araka ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia tsy mbola misy ny aina nafoy ao Sainte-Marie.




RANO TONDRAKA
Ahiana ho vaky Ikopa amin'ny ilany andrefana
Tsy tafandry mandry nanomboka omaly maraina ireo fokonolona amin'iny faritr'Anosizato sy Ambohitrimanjaka iny. Raha ny fanazavan'ireo fokonolona teny an-toerana mantsy dia ahiana ihany koa ny hahavakisan'ny fefifolan'Ikopa eo Andranovaky.
Misy vavarano hahafahana mampiditra rano
hanondrahana tanimbary mantsy eo, ka efa madiva amin'io vavarano io ny ranon'Ikopa.
Matahotra, araka izany, ireo fokonolona sao vaky ity vavarano ity, ka ho tondraka ny tanimbary amin'iny ilany andrefana iny. Nosoritan'izy ireo anefa fa mbola feno vary raha iny tanimbary iny amin'izao fotoana izao, ary ao anatin'ny fahamasahany tsara ireo vary ireo.
Raha avy aty amin'ny arabe avy aty atsinanan'ny Digue moa dia efa mihoatra ny haavon'ny arabe ny haavon'ny ranon'Ikopa.
Raha ny fanazavana azo mantsy dia efa tonga amin'ny filazana loza mitatao ny haavon'ity reniranon'Ikopa ity (3,50 metatra) amin'izao fotoana izao (refy eo amin'ny tetezan'Anosizato io), satria efa nananika ny 3,75 metatra izy tamin'ny maraina.




ANDOHATAPENAKA
Fianakaviana 270 tra-boina
Dobo ao anatin'ny reniranon'Ikopa ihany koa ny tanàna kely iray, Anaty Ony, ao amin'ny fokontanin'Andohatapenaka II. Fianakaviana 270, raha ny fanisàna nataon'ny tompon'andraikitry ny fokontany no indray tra-boina eny an-toerana. Izay navangongo ao amin'ny tranompokonolona ao an-toerana.
Ny zava-misy anefa, raha ny fanazavan'izy ireo, dia hodidinin'ny rano ihany koa ity tranompokonolona ity satria avy ao avaratry ny trano : lakan-drano feno tsinkafona, ao anoloana ao atsimo : tatatra kely fivarinan'ny rano maloton'ny mponina.
Ireo rehetra ireo anefa efa samy miakatra avokoa, indrindra fa ilay tatatra kely eo anoloan'ny birao. « Ahiana, araka izany, ihany koa no hitosahan'io aty an-tokontanin'ny birao raha mitohy izao fihavian'ny orana izao », hoy ity raim-pianakaviana iray anisan'ny tra-boina eny an-toerana.
Tao Anaty Ony, tao amin'ilay tanàna kely dobo rano moa dia trano iray no nirodana ny maraina. saingy nieren-doza izy efa-mianaka tao anatiny, vehivavy lehibe iray niaraka tamin'ny zafikeliny telo, ka mba tafavoaka soa aman-tsara tety ivelany.
« Entana kely no mba tafavoakanay, fa tototra ao daholo ny sisa », hoy Razanatsoa tompon'ilay trano rava.




ANOSIZATO
Tovolahy matin'ny herin'aratra
Maty tsy tra-drano ilay tovolahy 25 taona, main'ny herin'aratra teny Anosizato, omaly maraina. Taribin-jiron'ny Jirama tapaka ary tafiditra tao an-tranony no nahatonga ny loza. Izy no niantefan'ilay taribin-jiro nikipily. Nentin'ny herin'ilay herin'aratra izy ary natsipiny mihitsy.
Ankoatra ity tovolahy ity dia olona roa hafa, olon-dehibe 30 taona sy zaza eo amin'ny 2 taona eo ihany koa no naratra tamin'ilay taribin-jiro tapaka ihany. Nisy fahamaizana ny vatan'izy ireo ary nentina namonjy hopitaly aingana.
Izany tokoa no andro miditra. Mipetrapetraka ao an-tranony izy mianakavy kely ireto, tsy manampo na inona na inona no tra-doza tampoka teo.
Fianakaviana maromaro izy ireo no voalaza fa indray mipetraka ao amin'ity trano ity. Tsy nisy afa-nihetsika tao fa dia natahotra an'ilay taribin-jiro tapaka. Ka ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no tonga teny an-toerana namonjy azy ireo, namoaka azy tao an-tranony, mandrapahatongan'ny mpiasan'ny orinasa Jirama nanapaka ny herin'aratra sy nanamboatra ny taribin-jiro.




FANAFIHANA FIARA MPITATITRA
Vazaha lahy no voadaroka
Vazaha lahy iray no nodarohan'ireo jiolahy mpanafika fiara ny talata teo. Nefa ny iray fiara mihitsy no indray voatafika tamin'io.
Mitondra faisana mihitsy ireo fiara mpitatitra
mandeha amin'ireny lalam-pirenena lehibe ireny,
indrindra ny amin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Fiara mpitatitra iray handeha ho any Morondava indray man-tsy, ny talata maraina teo, no notafihin'ireo jiolahy teny an-dàlana. Afaka kely an'Antsirabe, efa nihazo an'iny làlan'i Betafo iny ity fiara mpitatitra ity no nosakanan'ireo jiolahy. Notsiloviny ny jiro fanao am-paosy toy ireny fanaon'ny mpitandro ny filaminana ireny no sady nosakanany.
Ny tena nampalahelo tamin'ity trangan-javatra iray nataon'ny jiolahy tamin'ity fiara mpitatitra ity, raha ny fanazavana azo, dia ny nanaovany an'ilay vazaha lahy hitany tao anatin'ny fiara. Samy nambanany fitaovam-piadiana daholo ny mpandeha rehetra, fa ity vazaha lahy ity no nanaovany herisetra. Somary nosintoniny, ary nodarohany. Nifandrombahan'ireo
jiolahy novonoina sy noendahiny mihitsy aza izy.
Tany anaty ala
Vola mitentina 3 tapitrisa ariary no teny amin'ilay vazaha ary dia lasan'ireo mpandroba daholo. Tsy nisy niangana na dia iraimbilanja aza. Manginy fotsiny ny zava-tsarobidy hitany teny an-kodiny.
Tsy teo amin'ny arabe ireo mpandeha no noendahin'ireo jiolahy fa nentiny tany anaty ala. Notarihiny tamin'ny tady mahazaka ary nosintoniny nankany mihitsy ilay fiara. Dia nanjaka tao izy, namaha ny labasy misy ny entan'ireo mpandeha.
Vato kiboribory daholo sisa ireto mpandeha. Ny tany handehanana anefa mbola lavitra, nisy ihany koa ny nitondra ankizy kely. Dia tsy nisy azon'izy ireo natao afa-tsy ny nanatona ny biraon'ny zandary ary nametraka ny fitarainana.
Fanintelony izao, raha ny vaovao azo, no nisian'ny fanafihana fiara mpitatitra tamin'iny làlam-pirenena fahefatra manodidina an'Antsirabe iny, tato anatin'ny iray volana monja. Tsy mbola misy tratra moa ireo jiolahy.




VOHÉMAR
Jiolahy telo matin'ny fokonolona
Jiolahy telo no indray naripaky ny fokonolona tany Tsarabiha Vohémar, ny herinandro teo. Ny iray maty notifirin'izy ireo ary ny roa matin'ny daroka sy ny vono nahazo azy. Tsy notsitsian'ny fokonolona mihitsy ka nanamparany ny fony ireto jiolahy ireto, satria efa nila ho naningotra ny ain'izy ireo.
Nanafika sy nandravarava tao amin'ity tanàna ity ireto jiolahy ireto tamin'io fotoana io. Tokantranon'olona efatra samihafa no indray notafihin'izy ireo tamin'izany. Mpivarotra enta-madinika ny iray ka ankoatra ny lelavola notehirizina tao an-trano mbamin'ny firavaka volamena isan-karazany, dia nofaohin'izy ireo hatramin'ny entam-barotr'olona. Tao amin'ilay trano fivarotan'enta-madinika fotsiny, raha ny vaovao azo avy tany an-toerana, dia vola nahatratra 1 500 000 ariary no indray lasany.
Nanana basy izy efa-dahy ary napoapoakany nampihorohoroany ny olona tao an-tanàna. Inefatra no nanapoahany izany, izay tsy vitan'ny tifi-danitra nampihorohoro olona fotsiny fa sady nikendry ihany koa ny hitifitra ireo fokonolona nanenjika azy.
Izay no nampirehitra ny hatezeran'ireo fokonolona tao an-tanàna ka nahasahian'izy ireo niray hina nandrava an'ireto andian-jiolahy ireto.
Ny fokonolona nanam-basy tonga dia nitifitra ihany koa nahita ny hetrahetrak'izy efa-dahy ka voa tamin'izany ny iray. Raikitra ny fanenjehana ireo namany ka tratra teo ihany koa ny iray hafa. Naratra nalemilemy io, saingy namoy ny ainy nony afaka kelikely. Mbola nisy nahasahy nihaodihaody teo amin'ny fatin'ireo namany iny ihany ilay iray fahatelo, ka tonga ihany koa dia nohazain'ireo fokonolona ary tsy namelany raha tsy maty. Ilay iray fahefatra izany sisa no tsy azon'ny fokonolona.




ANTSIRANANA
Mpihetraketraka 20 voasambotra
Tovolahikely eo amin'ny 20 eo, no fantatra fa indray voasambotry ny mpitandro ny filaminana any Antsiranana. Nanjaka tany an-toerana moa tato ho ato ny herisetra sy hetraketraka. Nandefasana hery manokana mihitsy izay tonga tamin'ny herinandro teo ny hisambotra azy.
Ao an-tampon-tananan'Antsiranana mihitsy man-tsy, raha ny vaovao azo avy any an-toerana, no misy an'ireto andian-tovolahikely mihetraketraka ireto. Mitondra antsy mihitsy izy ireo mandeha eny an-dàlana, ary dia mifandramatra, mandratra izay heveriny ho manelingelina azy.
Misy koa ny manararaotra izany tarehin-javatra izany ka manao fandrobana sy herisetra amin'olo-mandalo. Piraty, Forosse, Londres, izany no anarana isaloran'ireto tovolahikely ireto, ka malaza mihitsy izany amin'izao fotoana izao, nanomboka ny fetin'ny faran'ny taona teo no mankaty.
Raha ny filazan'ny mponina any an-toerana dia adin'
ankizy ao an-tanàna no tena niandohan'ity tantara ity. Raikitra ny fifanjevoana ary dia mifampihaza eran'ny tanàna. Ka lasa hetraketraka amin'ny manodidina izany ho an'ny sasany.




Indices
Siège social. L'EDBM à Antaninarenina. Les bureaux de l'Economic development board of Madagascar (EDBM) se trouvent à Antaninarenina dans l'ancien immeuble de la Solima, ayant abrité récemment la Télévision nationale.
Transport aérien. Réforme de la réglementation. Le ministère des Transports se lance dans une refonte des textes réglementaires régissant le transport aérien. De nouvelles dispositions sur l'utilisation des aéroports et l'espace aérien malgache entreront en vigueur dans les mois à venir.




ANKORONDRANO
Rafotsibe maty irery tao an-tranony
Maty irery tao an-tranony ilay vavy antitra mpandehandeha eny Ankorondrano. Efa narary iray volana izy
Tsy handehandeha amin'iny faritr'Ankorondrano iny intsony i Bebe Dauphine. Maty irery tao an-tranony omaly ilay rafotsibe. Izy irery, araka izany, no niady tamin'ny fahafatesana tao amin'ilay trano kely nitoerany tao. Mipetra-drery mantsy izy ary trano hazo kely eo amin'ny 4 metatra tora-droa eo no itoerany. Natory teo am-pandriana izy, ary toy ny nanaka-javatra tao an-doha fandrianany tao.
Raha ny fanazavan'i Bebe Edwige, renim-pianakaviana iray miara-monina aminy eo an-tanàna, dia efa ho iray volana teo izay no narary i Bebe Dauphine. «Tsy afa-mitsangana eo am-pandriana izy fa na hivoaka aza miantso olona hampanao izany. Dia izahay no mikarakara azy eo», hoy izy.
Nosoritany fa noho izy tsy niantsoantso vao maraina no nampamahina azy ka nahatonga azy ho namoha ny varavarana. Kanjo vantany vao novohana izany dia Bebe Dauphine efa tsy nisy aina intsony sisa no hita.
Ny ankizy eo amin'ny manodidina no mba naman'ity Bebe Dauphine ity. Ireo no fiantsoantsony sy fanirakirany. «Mikitakita manao krizin'ny antitra izy indraindray, fa efa zatra izahay», hoy i Mota.
Manan-janaka i Bebe Dauphine. Saingy ireo fokonolona eo amin'ny manodidina eo no mikarakara azy, manome sakafo azy sy manasa ny lambany.




MANDOTO
Olona valo nosamborina
Vatan-dehilahy 8 no sady naratra no nosamborin'ireo mpitandro ny filaminana nampandry tany tany amin'ny kaominin'i Anjoma Ramartine ao amin'ny distrikan'i Mandoto, ny 15 febroary teo. Nanara-dia omby very tao an-tanàna izy ireo tamin'io fotoana io, niaraka tamin'ny zandary. Saingy nizara roa ny fokonolona nony injay lasa lavidavitra ny dia, ka niverin-dalana ireto 8 lahy ireto, haka sakafo.
Dia nifanehitra tamin'ireo mpitandro ny filaminana nampandry tany avy tany Malaimbandy izy ireo. Ireto farany nihevitra an'ireto vatan-dehilahy ho dahalo. Nitondra lefona mantsy izy ireo ho fiarovan-tenany amin'ny fanoherana ataon'ny dahalo, ka izay no tsy nahafantaran'ireo mpitandro ny filaminana azy.
Nidina ny fiarany avy hatrany izy ireo ary tonga dia nitifitra an'ireto fokonolona. Soa ihany fa tsy nisy naratra mafy izy ireo, na dia nisy voan'ny bala aza. Niezaka ny nanazava ireo fokonolona, saingy tsy te-hahalala ireto mpampandry tany.




ANDRAISORO
Zaza menavava novonoina
Tany an-davapiringan'olona teny Andraisoro omaly maraina, no nala-tsak'ity tovovavy kely iray, ny zanany menavava. Raha ny fanazavany tamin'ny fanadihadian'ny fokonolona azy tao amin'ny biraom-pokontany, dia nahatsiaro ho narary kibo mafy izy rehefa avy nisotra tambavy afak'omaly. Teny an-dalana anefa izy tamin'io fotoana io ka noho ny fahamaizany dia izay lava-piringan'olona hitany no nidirany.
Tao am-pivoahana tao izy, raha ny fanazavany, no nandre zavatra nidoboka be tao anaty lavaka. Ary lasa nivoaka namonjy an'ilay tovolahy niaraka taminy izy dia nankany amin'ny mpi-tsabo. Ka ilay mpitsabo nandehanany no tsy nanaiky raha nahita ny fihetsiny sy ny toetoetrany, ka nitondra azy teo amin'ny fokontany sy niantso ny polisy.
Ny zavatra hita anefa dia ilay lava-piringa natorony fa nandatsahany ny zanany, dia tsy nahitàna rà na kely aza. Ireo mpamonjy voina rahateo ihany koa, raha nilomano tao anaty maloto nikaroka an'ilay fatin-jazarano, tsy nahita na inona na inona. «Mety ho tany an-toeran-kafa no nandehanany fa tsy tato. Izahay rahateo teto an-tanàna foana ka hitanay izay miditra ao», hoy ireo tompon'ny lava-piringa.




Tapatapany
Halatra. Mpiambina sivily 20 lahy natolotra ny Fampanoavana. Resaka halatra motera tao amin'ny tranombarotra nambenany teny Ambohimanambola no nahavoarohirohy an'ireto mpiambina sivily efa ho 20 lahy ka niakarany Fampanoavana tao Anosy, omaly. Efa tany amin'ny volana janoary tany ny zavatra no very. Saingy izao vao niakatra ny raharaha.
Isotry. Tovolahy saika hanindrona antsy ny reniny. Any amin'ny fonjan'Antanimora ankehitriny ilay tovolahy iray saika hanindrona antsy ny reniny teny amin'iny faritr'Isotry iny. Ny reniny mihitsy no nitondra ny raharaha teo amin'ireo manam-pahefana ary dia izao izy voatana am-ponja izao.




Tsenan'i Pochard
« Tsy lasan'ny sinoa ny toerana »
Harodana ho fitsinjovana ny ain'ireo mpivarotra ilay andry lehibe ao amin'ny tsenan'i Pochard. Izay no voalazan'ny kaominina fa antony nanesorana ireo mpivarotra sasany ao aminy.
An'ny fanjakana ny tany misy ny tsenan'i Pochard ary efa an-dalana ny famindrana azy ho an'ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Tenin'ny « Médiateur, directeur de l'inspection générale de la commune », Andriamahazo Nirhy Lanto, izany omaly, raha nanontaniana mikasika ny savorovoro eo amin'ireo mpivarotra lamba efa niasa sy kiraro ao amin'ity tsenan'i Pochard ity izy.
Nisavoritaka teo anoloan'ny vavahadin'ny tsenan'i Pochard teo mantsy ireto mpivarotra misy eo amin'ny 300 eo ho eo, omaly. Nosakanana tsy avela hivarotra intsony izy ireo, ary dia nandeha teo ny feo isan-karazany.
Averina amin'ny toerany
Anisan'izany ny hoe lasan'ny sinoa ny tsena. Nambaran'ireo mpivarotra mantsy fa isaky ny mirava ny tsena dia misy sinoa tonga mijery ny ao anatin'ny tsena. Mazava anefa izao ny resaka fa tsy misy lasan'ny sinoa izany.
Nosoritan'ity tompon'andraikitry ny kaominina ity fa noho io andry be mandindona eo amin'ny tsena io no antony nanesorana ireo ampahana mpivarotra ao aminy.
« Loza mitatao ho an'ireo mpivarotra izy io, ary na ireo sinoa ao ambadiky ny tsena ihany koa aza matahotra amin'izany. Ny ORSEC (organisation de secours) mihitsy no nangataka ny handrodanana azy io. Efa enin-taona taloha tany no efa nikasa ny handrodana azy io ny kaominina. Fa tsy tanteraka noho ny tsy fisian'ny vola. Ka izao vao tsy maintsy tanterahina », hoy izy.
Notsipihiny fa rehefa voarava io andry lehibe io, dia averina eo amin'ny toerany ihany ireo mpivarotra.
Mandrapahatongan'izay anefa dia eny amin'ny «petite vitesse» ireo mpivarotra an-jatony ireo no apetraka.
« Efa misy toerana natokana ho azy eny », hoy ny lehiben'ny fandaminana ny tsena, Radaoroson Arsène.





Zandarimariam-pirenena
Vonona ny jeneraly Raharijaona Lucien
Tontosa, omaly, teo amin'ny araben'ny toby Ratsimandrava, ny lanonana ara-miaramila famindram-pahefana teo amin'ny komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Raharijaona Lucien Emmanuel, izay nisolo toerana ny jeneraly Ramananarivo Claude. Izany dia notarihin'ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Manorohanta Cécile.
Ny filoham-pirenena sady filoha faratampon'ny foloalindahy mihitsy no tonga nanome voninahitra ny lanonana. « Manana ny toerana sahaza azy ny zandarimariam-pirenena. Porofo izao fa vonona ny hitandro ny fandriampahalemana sy ny firenenay izahay ary tsy hilefitra amin'izany adidy masina izany », hoy izy.
Nahatsapa ny tenany fa misy indro kely eo amin'ny lafiny ara-pitaovana. Koa nentaniny ireo firenena vahiny, tamin'ny alalan'ireo masoivohom-pirenena samihafa nasaina nanatrika ny lanonana, mba hanampy ara-pitaovana azy ireo.
« Manantena fitaovana avy aminareo izahay. Tsy mifidy izahay na avy aiza na avy aiza. Misokatra amin'ny firenena rehetra ny fiaraha-miasa amin'ny fandriampahalemana ».
Na izany aza anefa dia nosoritany fa tsy maintsy anao araka izay azony hatao hamatsiana ara-pitaovana ny mpitandro ny filaminana ny fitondram-panjakana, mba ahafahany manatanteraka ny asany.




Tsaralalàna
Nivalan-drano an-dalambe
Tsy tahotra tsy henatra ity tovolahy iray, omaly tolakandro, nivalan-drano an-kalamanjana, tamin'iny arabe eny Tsaralalana iny. Nankao ambadiky ny fiara ny lehilahy ary tao no nanao ny nataony.
Asa, efa entin'ny fahazarana tokoa angamba, fa tsy nampoiziny ny fipoiran'ilay mpiasan'ny fivondronana nivezivezy nanara-maso ny filaminan'ny tanàna teo anivon'ireo mpivarotra amoron-dalana. Teo no ho eo izy dia nentin'ilay mpiasan'ny fivondronana ary natolotra ny polisy.
Nosoritan'ny manamboninahitry ny polisy iray fa tafiditra ao anatin'ny fandikan-dalàna ny fanaovana maloto an-dalam-be. Mahavoazazy mampiditra am-ponja, araka izany, izy ity. 29 andro am-ponja eo ho eo ny sazy azo amin'ny fanaovana izany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Antsiranana - Vehivavy iray naratran'ny grenady. Nanapoahan'ny mpitandro ny filaminana grenady mihitsy, tany Antsiranana, ny fisamborana ireo andiana tovolahy mpanakorontana. Vehivavy iray no naratra vokatr'izany, tratry ny pitik'ilay grenady. Tsy dia naninona izy ary efa nentina novonjena tany amin'ny hopitaly.
Asan-jiolahy - Nosamborina ny mpitaiza an'i Dorika. Afak'omaly hariva no nosamborin'ny polisy avy ao amin'ny sampana heloka bevava eny Anosy ny lehilahy lehibe iray izay voalaza fa mpitaiza ody an'i Dorika. Manahy mantsy ny polisy fa anisany miray petsapetsa amin'ny fanafenana an'i Dorika ity olona ity. Mandeha ny famotorana.
Nangonin'i




AMPASIKA
Lehilahy nitsambikina tao Ikopa
Hita omaly ihany ny fatin'ilay lehilahy nitsambikina tao amin'ny reniranon'Ikopa teny Ampasika. 50 metatra miala amin'ny nitsambikinany no hita izy.
Tamin'ny efatra ora sy sasany tolakandro no nakarin'ny mpamonjy voina avy ao anaty reniranon'Ikopa ny fatin'ilay lehilahy nitsambikina tao anaty rano, omaly antoandro. Henjana ny fikarohana satria adiny roa no nikarohan'ireo mpamonjy voina azy, nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany.
Raha ny fanazavan'ireo mponina teny an-toerana, nahita maso ny zava-nitranga, dia nitsambikina tao amin'ny reniranon'Ikopa ity lehilahy ity. «Tsy nampoizina mihitsy satria nandeha toy ny olon-drehetra teo izy. Tsy hitahita mihitsy ny niakarany ny arofanin'ny tetezana nitsambikinany tao. Noheverinay fa ankizy nilomano izy. Nefa ny fitafiany teny an-kodiny, fitafiana ambony mafana manga sy pataloha lava langa, no hitanay tao anaty rano», hoy ity raim-pianakaviana iray.
Maty tsy fantatra anarana
Nitangorona ny olona, niandry izay hiverenany. Fa tsy hita izy. Dia nentin'ny rano. «Nilentika indray mandeha dia iny no tsy hita intsony», hoy ity tovolahy kely iray. Izay ny mponina teo amin'ny manodidina vao niantso sy nampandre ny mpamonjy voina.
Sahabo ho 50 metatra niala ny toerana nitsambikinany no nahitàna ny razana.
Tsy nisy nahafantatra an'ity lehilahy ity raha ny fokonolona tonga teo an-toerana. Tsy fantatra, araka izany, izay antony nahatonga azy namono tena. Izy irery no tazan'ny fokonolona nandeha teny fa tsy hita raha nisy niaraka taminy.
Nakarina teny an-tanety moa ny razana ary ny mpitsabo sy ireo mpiasa avy ao amin'ny BMH no naka ny razana ka nanatitra azy eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA Ampefiloha.





MERIMANDROSO
Renim-pianakaviana nanary zanaka
Velona soa aman-tsara ilay zaza menavava vavikely narian-dreniny tanaty ala, tany Manjaka, amin'iny faritr'i Merimandroso iny, ny alakamisy teo.
Mpaka kitay niditra tanaty ala no nahita azy. Tsy nisy fitafiana izy na dia iray aza sady efa hotsaky ny orana tanteraka. Notetehiny hovonoina mihitsy ilay zaza raha ny fahitàna azy satria mbola nahohony no nototofany hodi-kazo tsy hahitàna azy. Saingy ny feon-jaza nitomany moa tsy hay nafenina ka dia izay no novonjen'ireo mpaka kitay narahina. Novonjena aloha ilay zaza. Avy eo nokarohina ny reniny.
Avy hatrany dia tany amin'ilay renim-pianakaviana iray nitondra vohoka tao an-tanàna no niantefan'ny sain'ny fokonolona. Nozahaina tokoa taorian'izay ity renim-pianakaviana ity ka fisa-kibo toy ireny olona tsy bevohoka ireny.
Niantso ny zandary ny fokonolona avy teo ary ny asabotsy teo no natolotra ny Fampanoavana ilay renim-pianakaviana.
Ilay zaza moa dia ny toby mitaiza zaza iray any an-toerana no nandray azy vonjimaika mandra-piandry ny didim-pitsarana.




Tapatapany
Ankazobe. Trano eo amin'ny 15 eo no nirodana. Efa mitsahatra ny orana vao manomboka mirodana tsikelikely ny trano. Tany amin'ny faritr'Ankazobe manokana, araka ny vaovao azo avy any, dia manodidina ny 15 eo ny isan'ireo trano nianjera. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra.
Ambatomainty. Lehilahy voarohirohy ho namosavy. Natolotra ny Fampanoavana ny asabotsy teo ilay lehilahy iray voarohirohy ho namosavy. Voalaza fa tratra nandraraka vovon-javatra tao amin'ny tsenan'ity vehivavy iray izy, ny alarobia teo.
Ambohitrimanjaka. Tsy mbola hita ny fatin'ilay mpitaom-biriky. Dimy andro katroka izao, tsy mbola hita ny fatin'ilay lehilahy voalaza fa nitaom-biriky ary navadiky ny lakana tao amin'ny reniranon'Ikopa tamin'ny faritr'Ambohitrimanjaka. Roa andro nikarohana azy teny ny mpamonjy voina. Fa niala maina.




ANJOZOROBE
Zaza menavava novonoin-dreniny
Nentina nesorina tany amin'ny renin-jaza ilay zaza fito volana an-kibo nefa velona ihany. Tsy nokarakarain-dreniny ary maty ilay tsy manan-tsiny.
Tsy namelan'ity renim-pianakaviana iray raha tsy maty ilay zanany tao an-kibo. Tany amin'ny faritr'Anjozorobe, tao Anativola Antanetibe no niseho ny tantara. Fito volana an-kibo ilay zanany no nentiny nesorina tany amina renin-jaza. Dia afaka tokoa. Saingy rehefa latsaka dia tsy araka ny nampoiziny fa velona soa aman-tsara ilay zaza. Niaina sy nitempo tsara ny fony.
Dia tsy maintsy nentiny nody. Saingy rehefa tonga tao an-trano dia tsy nokarakarainy. Tsy nomeny
sakafo sy nampitafiany fa navelany ho faty.
Mbola velona 5 andro teo ihany anefa ilay zaza vao namoy ny ainy.
Manam-bady ity renim-pianakaviana ity, ary efa niteraka iray. Saingy tamin' io fotoana io izy, noho ny disadisa teo aminy sy ny vadiny, dia tsy nody tany aminy fa namonjy ny tokantranon-dray aman-dreniny.
Ny mpiara-monina tamin' izy ireo no nampahafantatra tamin'ilay rangahy vadiny ny zava-nisy nataon'ity renim-pianakaviana ity. Teo no ho eo ihany izy, araka izany, dia nampiakatra ny raharaha tany amin'ny zandary ary natao ny famotorana ka teo no namborahany ny fihetsika nataony tamin'ny famonoana an'ilay zaza.
Natolotra ny Fampanoavana tao Anosy ny
raharaha. Indray voarohirohy tamin'ity renim-pianakaviana ity tamin'izao raharaha izao moa ny reniny nampiantrano azy sy ilay renin-jaza nampiteraka. Saingy nomena fahafahana vonjimaika.




ANDOHATAPENAKA I
Nizarana vola ireo tra-boina
Tonga ny fanampiana nampanantenain'ny Filohan' ny Repoblika, Marc Ravalomanana ho an'ireo tra-boina eto amin'ny faritr'Analamanga. Ho an'ny fokontany ao Andohatapenaka I manokana, dia nanomboka tamin' ny alahady no nizaràna izany teny an-toerana.
Ny filohan'ny fokontany ao an-toerana no nandray ny fanampiana ary nitsinjara izany ho an'ireo tra-boina. Misy eo amin'ny fianakaviana 642 eo izy ireo, ary olona mahatratra hatrany amin'ny 1340, araka ny fanisana nataon'ny tompon'andraikitra eo anivon' ny fokontany. Ka rehefa natao ny kajikajy dia vola eo amin'ny 10 000 ariary eo no azon'ny isam-pianakaviana.
Amin'ny alalan'ny kara-pokontany sy ny kara-
panondrom-pirenena no entina maka izany fanampiana izany, mba ialàna amin'ny fisolokiana isan-karazany.
Marihina, fa araka ny fanazavan'ny Filoham-pirenena tamin'izy nitsidika ireo tra-boina teto amin'ny faritr'Analamanga, dia tsy ny tra-boina irery ihany no omena ity fanampiana ity fa anisan'ny hahazo izany ihany koa ny olona sahirana.
Vola 100 tapitrisa ariary miaraka amin'ny vary 500 taonina moa no natolotry ny filoham-pirenena ho an'ireo traboina eto amin'ny faritr' Analamanga.




Tapatapany
Antohomadinika. Trano lehibe iray nianjera. Trano lehibe iray, omaly, no nirodana teny Antohomadinika. Efa somary antitrantitra ihany izy ity, ka efa mahina ny amin'izay mety ho fisehoan'ny loza aminy ireo fianakaviana nipetraka tao. Hany ka niala dieny mialoha tao amin'ilay trano izy ireo. Tamin'ilay faritra manodidina ny trano rahateo tsy nisy voakasika. Tsy nisy, araka izany, ny aina nafoy na ny naratra.
Antsahameva. Vehivavy latsaka tanaty tatatra. Tsy voavonjin'ny fokonolona fa tsy maintsy niantsoan'izy ireo ny mpamonjy voina eny Tsaralalàna ilay vehivavy (27 taona) latsaka tany anaty tatatra teny Antsahameva, omaly maraina. Asa izay nanjo azy fa teny am-pandehanana izy ity no nibolisatra ka tonga dia tany anaty tatatra no nitotona.




ANTSIRANANA
Misy efa gadra taloha ireo zatovo
Misy amin'ireo avy tany Antsiranana no efa nigadra avy teny Tsiafahy sy Antanimora. Samy efa nahavita sazy tao amin'ireo fonja ireo izy ireto.
Tafakatra 106 amin'izao fotoana izao ny isan'ireo zatovo voasambotry ny andiana mpitandro ny filaminana manokana avy aty an-drenivohitra. Manatontosa iraka manokana, ao an-drenivohitr'Antsiranana izy ireto. Ankoatra ireo 81 voasambotra teo aloha mantsy dia mbola nisy fanampiny 25 hafa indray ny faran'ny herinandro teo. Mbola any Antsiranana izy ireo amin'izao fotoana izao, miatrika ny famotorana azy. Tsy mbola fantatra, araka izany, na mbola hakarina aty an-drenivohitra toy ireo namany hafa izy ireo na ho tazonina ao amin'ny fonjan'Antsiranana ihany.
Toy ireo namany izay efa voasambotra dia resaka halatra, herisetra, fihazonana zava-mahadomelina, fanolanana, izany no antony nahavoarohirohy azy ireo.
Na izany na tsy izany, mikasika ireo 55 nakarina taty an-drenivohitra, ny alahady teo, indrindra fa tamin'ireo zatovolahy izay notanana eny amin'ny fonjan'Antanimora izay misy eo amin'ny 30 eo, dia fantatra izao, fa misy amin'izy ireo no efa nigadra teny amin'ny fonjan'i Tsiafahy sy Antanimora.
Efa samy nahavita ny saziny avy teny amin'ireo fonja ireo avokoa izy ireo ary raha ny mikasika ilay voafonja teny Tsiafahy manokana dia efa sazy 20 taona an-tranomaizina no vitany teny. Matoa moa izy voatazona sy nanefa ny saziny teny dia resaka heloka bevava no vitany ka niampangana azy tamin'izany. Dia izao izy voasambotra fanindroany izao indray. Vao haingana anefa izy ireo no voalaza fa nivoaka ny fonja nanefany sazy.
Tsy misy mpiahy
Araka ny fantatra moa dia tsy hohazonina ao amin'ny fonjan'Antanimora ireto zatovo avy any Antsiranana ireto fa hafindra eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy. Etsy andanin'izany dia mizaka ny tsy eran'ny aina ireto zatovo sy ankizy mania tao Antsiranana ireto, raha ny vaovao azo. Sady tsy misy mpamangy no tsy misy mpanati-kanina. Fa dia izay sakafo omena ireo voafonja eny Antanimora sy ireo ankizy eny Anjanamasina miampy izay atolotry ny fikambanana samihafa miara-miasa amin'ny fonja, no mba hany sakafony. Ary izay no mampitaraina ny fianakavian'izy ireo any Antsiranana, satria tsy voahaja ny zon'izy ireo. Maro amin'izy ireo anefa no tsy nahavimbina na dia akanjo mafana iray akory aza afa-tsy izay fitafiana teny an-kodiny ihany.
Misy ny fikambanan'ny teraka avy amin'iny faritra avaratra iny eto an-drenivohitra. Saingy voalaza fa tsy mbola nandeha nitsidika an'ireto olona ireto na dia indray mandeha aza.
Marihina fa misy 2 vavy tamin'ireo zatovo avy any Antsiranana nakarina taty an-drenivohitra.





ANKARAOBATO
Niteraka olana ny fanoloana ny sefom-pokontany
Vahoaka teo amin'ny 300 teo, omaly, no indray nitokona nanao fihetsike-
tsehana teo anoloan'ny
biraom-pokontany tao Ankadilalampotsy tao amin'ny kaominin'Ankaraobato. Raha ny fanangonam-baovao natao teny an-toerana dia noho ny fanoloana ny sefom-pokontany ao aminy no tsy levon'ny vavon'izy ireo. «Tsy fantatra mazava akory ny anton'ity fanoloana ny sefom-pokontany ity. Olona niasa tsara, nahavita ny adidy aman'andraikiny teo amin'ny fokontany sy teo amin'ny vahoaka ve no soloina?. Tsy ekenay izany. Manampatra ny fahefany ny lehiben'ny distrika», hoy izy ireo naneho ny alahelony tamin'ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana.
Voalaza fa ny alatsinainy teo no tonga tao amin'ny fokontany ny taratasy manaisotra ny sefom-pokontany vaovao ary nanendry ny solony. Tampoka tamin'ireo vahoaka, araka izany, ny vaovao ka izay no nanaitra azy ireo.
Nanomboka tamin'ny 8 ora maraina ireto vahoaka ireto no tonga nitokona teo anoloan'ny biraom-pokontaniny ary tsy nety niala tao raha tsy ny tolakandro.
Nidina teny an-toerana mihitsy ny ben'ny tanàna, Ralaiseheno Guy Hasinjaka, niteny tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nanazava tamin'izy ireo ny zava-boarakitry ny lalàna amin'ny fanendrena ny sefom-pokontany, izay fahefan'ny sefo distrika. Niantso ireo vahoaka mba ho tony, araka izany, izy. «Ny fampandehanan-draharaha no tokony imasoana», hoy izy.




NOSY BE
Miaramila irakiana 2 voasambotra
Fantatra izao fa miaramila ireo teratany irakiana roalahy voasambotry ny polisy tany Nosy Be, ny faran'ny herinandro teo. Teny amin'ny seranam-piaramanidina teny an-toerana izy ireo no sarona ary resaka pasipaoro sandoka no nahatrarana azy ireo tao.
Raha ny fanazavana azo dia miaramila nitsoaka ady tao Iraka izy ireo. Nambaran'izy ireo tamin'izany mantsy ny tsy fahatantesany intsony ny ady ao amin'ny taniny ka nahatonga azy ireo nitsoaka an-daharana. Nisy, araka izany, ny olona nifandray tamin'izy ireo ka nahatonga azy teto Madagasikara. Mbola nikasa ny haka ny vady aman-janany mihitsy izy ireo taorian'izao diany izao.
Mbola mandeha moa ny famotorana ataon'ny polisy amin'izao fotoana izao, satria ny tena ahiana mafy, ankoatra ny fandikan-dalàna nataony tamin'ny pasipaoro sandoka nataony, dia ny mety ho fifandraisany amin'ireo mpanao asam-pampihorohoro.




LALAM-PIRENENA FAHEFATRA
Mpamily matin'ny lozam-pifamoivoizana
Maty tsy tra-drano ilay mpamily fiara mpitatitra niharan-dozam-pifamoivoizana tao Begisa, ao amin'ny distrikan'Ankazobe, tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny. Tsy fantatra izay nanjo an'ilay mpamily fa nivoaka ny lalana tampoka teo ilay fiara «minibus» nentiny ary tonga dia nifatratra tany amin'ny tranon'olona.
Tsy nihontsona ilay tranon'olona fa ilay fiara no potika ny lohany. Teo amin'ny tandrifin'ilay mpamily mihitsy no voa mafy tamin'izany.
Fiara manao fitateram-bahoaka mampitohy an'Antananarivo sy Ankazobe moa ity fiara ity ary saika handeha hamonjy ireo mpandeha, teo amin'ny fiantsonan'ny fiara tao an-tanàna ilay mpamily tamin'io fotoana io, dia izao niharan-doza izao.




ANTSOHIHY
Telolahy namono mpanamboatra fiarakodia
Lehilahy telo no indray nosamborin'ny mpitandro ny filaminana tany Antsohihy, ny herinandro teo, tamin'ny famonoana mpanamboatra fiarakodia iray. Novonoin'izy ireo tamin'ny fomba feno habibiana ity olona ity, raha ny fanazavana azo, ary rehefa matiny dia natsipiny tany anaty rano.
Ny notetehin'izy ireo tamin'io fotoana io dia ny hitondran'ny rano ny fatin'ity lehilahy ity lavitry ny toerana nanariany azy. Nefa tsy araka izay ny zava-nisy fa nihitsoka tao anaty lobolobo anaty rano ilay razana.
Nandeha ny fikarohana ary dia izy telolahy no voalaza fa niaraka taminy
farany. Avy hatrany dia nosamborina izy ireo. Efa mandeha, araka izany, ny famotorana.




Resaka fandoavan-ketra
Manoratra aminareo ity «e-mail» ity aho mba hisontonana ny sainareo handinika zava-misy iray eto Antananarivo, izay heverina fa andry iankinan'ny aim-pirenena nefa dia atao asa tandrevaka fotsiny izao ny fanatanterahana azy. Tsy inona izany fa ny fandoavana isam-bolana amin'ny Fanjakana ireny karazan-ketra ireny eny amin'ny Birao enti manao izany ( na «Contributions Directes»).
Isam-bolana dia mikorontana be ny fandraisana ireo karazan-ketra aloan' ny orinasa tsy miankina any amin'ny biraon'ny Contributions Directes. Efa ela no tsikaritra fa misy ity lesoka na tandrevaka ity eo anivon'ireny birao ireny, fa mbola tsy nahitana fomba tena mahomby hampilamina ny fandoavana ny hetra hatramin'izao. Ny zava-misy, ohatra eny amin' ny birao fandoavan-ketra Mandrosoa-Ambohijatovo ohatra no ho resahin-tsika:
* Ny datin'andro 15 ny volana no fara-fandoavana ny hetra (oh: ny IRSA); dila io fe-potoana io dia voan'ny sazy 15% miakatra izay tratra aoriana. Ka noho izany, rehefa tonga ny andro faha: 14 na faha: 15 ny volana, dia mirohotra mandoa ny hetra eny daholo ny ankamaroan'ny orinasa rehetra. Rariny loatra izany firohotana mankeny izany noho ny fatahorana ny sazy.
Kanefa ny mampalahelo dia tsy hain'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Contributions ny mandamina ireo vahoaka tonga mandoa ny hetra. Toa omen-tsiny indray izy ireo, ary hanaovana eso-teny sy avonavona aza matetika. Raha ny fihevitray mpandoa ny hetra manko dia tsy tokony atao tsinontsinona ny olona na orinasa tonga mandoa ny hetrany.
Tokony tambatambazana aza raha ny tena rariny. Marina fa ireo olona miasa mandray ny hetra ao dia manao ny asany tokoa, fa saingy tsy maharaka satria marobe dia marobe ny olona tonga amin'ireo faha 14 sy faha 15 ny volana ireo. Koa tsy tokony hisy mpiasa hafa tonga hanao «renfort» ve amin'ireo
andro ireo?
Ny zava-misy amin'izao manko dia, raha mandalo eo ianareo rahampitso sy afak'ampitso, dia manomboka amin'ny 7:30 maraina eo ivelan'ny birao (Contributions Directes Mandrosoa io) dia efa tonga misy milahatra eo; mandra-pahatongan'ny amin' ny 9:00 am izay fivohan' ny birao dia efa tonga aty Ambohijatovo ankaikin'ny mpivaro-boky ny filaharana. Manomboka mandray ny atontan-taratasy fandoavambola ny tompon'andraikitra ao amin'ny birao amin'ny 9:15 eo ho eo. Any amin'ny 10:00 am any ho any vao tafavoaka avy ao amin'ny Contribution ny laharana voalaohany. mandritra izay fotoana izay dia mitombo hatrany ny halavan'ny filaharana satria maro no tonga tsikelikely.
Rehefa tonga ny amin' ny 12:00 atoandro dia tsy mandray ny taratasy fandoavan-ketra intsony ry zareo mpiasa ao satria hono efa marobe ny eo ampela-tanany tsy mbola vitany «traitements». Dia voatery miala maina izay tonga aorian'ny 12:00 atoandro.
Raderalazasoa Léon




MAHAMASINA
Henjanina ny fandaminana ny mpivarotra
Tsy maintsy voapetraka eo amin'ny tsenan'i Mahamasina ny fepetra amin'ny fanajàna ny lalàna. Ho entitra amin'ny fanatanterahana izany ny tompon'andraikitry ny tsena vaovao.
Tsy maintsy hajaina anio, eo amin'ny tsenan'i Mahamasina, ny lalàna amin'ny tsy fahazoana mivarotra manoloana ny tambohon'ny kaomisarian'ny polisy sy ny sisin'ny tambohon'ny hopitaly fiterahana eny Befelatanana.
Fanambin' ny talen'ny tsenan'Antananarivo vaovao, Ranoasiarison Amédée, izany raha nanipika ny asa imasoany amin' ny fandaminana ireo mpivarotra eo amin'ny tsenan'i Mahamasina izy. Izy indray mantsy no talen'ny tsena vaovao eto amin'ny faritr' Antananarivo, nisolo toerana an-dRadaoroson Arsène, izay mpitantana teo aloha.
Tsorina fa ny tsy fahatanterahan'ny fandama-
ninana tanteraka an'ity
tsenan'i Mahamasina ity no nahatonga an'izao fanoloana ny tompon'andraikitry ny tsena izao.
Voarara
Nidina teny an-toerana mihitsy mantsy ny ben' ny tanàna, Andry Rajoelina, ny herinandro teo, nijery ifotony ny fandehan'ny raharaham-pandaminana ny tsena.
Hitany maso ireo mpivarotra sasany mbola ninia nandika ny fepetra, nivarotra teo anoloan'ny hopitaly teo Befelatanana, sy ireo mpivarotra sasany mbola navela hivarotra teo anoloan'ny kaomisarian'ny polisy.
Ny lalàna anefa dia
nilaza fa voarara tsy azo ivarotana manoloana ny tranom-panjakana, ny hopitaly, ny fianarana. Ary izay no tsy maintsy ampiharina manomboka anio. Efa mijoro ihany koa moa ankehitriny ny komity iombonan'ny kaominina sy ireo mpivarotra, izay hiara-hiasa amin' ny fanatanterahana izany.
Raha ny fahitàna azy, dia tsy mivaona amin'ny fandaminana nataon'ny tompon' andraikitra teo aloha, ny
hetsika imasoan'ity talen' ny tsena vaovao ity.
Fanadiovana ireo mpivarotra eny amin'ny sisin-dalana, fandaminana ny tsena rehetra eto an-drenivohitra, fikatsahana ny tombontsoa ho an' ireo mpivarotra maty hanina.
« Fandaminana vonjimaika ihany aloha no atao fa tsy mbola misy fe-potoana mazava ny mikasika ny fanadihadiana hanajariana tsena vaovao raha ho an'ny tsenan'i Mahamasina », hoy Ranoasiarison Amédée, talen'ny tsena vaovao.





AMBOHIMANAMBOLA
Tovolahy nalevina teny amoron-drano
Telo andro taty aorian' ny namonoan'ny sasany azy vao hita ny fatin'ilay tovolahy mpampandihy iray monina eny Tanjombato. Teny amoron-drano teny Ambohimanambola no nahitàna azy, afak'omaly alina. Nalevin'ireo jiolahy namono azy izy. Nofonosiny selofanina rehefa avy novonoiny, dia naleviny tao anaty lavaka nohadiany.
«Tapa-kazo nahahin' ny olona teo an-toerana teo no nalain'ireo jiolahy nanotofany an'ilay lavaka dia tsy
fantatra mihitsy», hoy ny fanazavan'ity raim-pianakaviana namboly tsy lavitra an'ilay toerana nandevenana azy. Raha ny fahitàna azy teny an-toerana dia novonoiny tany amin'ny toeran-kafa tany ilay tovolahy, satria tsy nahitàna rà mihitsy teo amin'ny manodidina na dia kely aza, dia ny fandevenana azy fotsiny sisa no nataony.
Olona 7 amin'izao fotoana izao no fantatra fa efa voasambotry ny zandary eny Andoharanofotsy amin' ity raharaha ity. Namany no naka an'ity tovolahy ity mba hampandihy eny Ambohimanambola, ny asabotsy 23 febroary teo.
Nentina hatramin'ny fiarany nitondràna ny fitaovana rehetra momba izany. Ary dia iny izy no tsy hita. Efa nanao ny fikarohana azy rehetra ny fianakaviany fa tsy nahita mangirana.
Ny fiarany najanon'ireo namono azy teny Ifarihy Ankaraobato, niaraka tamin'ny ila kiraro sy fitafiana feno fasika tavela tao anatiny no niantombohan'ny fikarohana, ary dia izao niafara tamin'ny fahitàna ny razana izao.




Tapatapany
Antsalova. 3 mianaka maty navadiky ny lakana. Mpivady niaraka tamin'ny zanany kely, no indray namoy ny ainy tany amin'ny distrikan'Antsalova, ny 22 febroary lasa teo, raha niampita ny reniranon'Anositondakay Ambalabe, ao amin'ny fokontanin'i Bemalo, kaominin'ambanivohitr'i Mahazoarivo. 5 mianaka izy ireo no niaraka niampita an'ity renirano ity. Saingy ny zanany 2 avotra soa aman-tsara.
Tsaratanana. Omby 12 nirenireny. Tsy fantatra hatramin'izao izay tompon'ireo omby 12, ahitàna marika ZFT-FRV, hitan'ny fokonolona nirenireny tao amin'ny tanànan'i Sakoamadinika, ao anatin'ny distrikan'i Tsaratanana, ny 24 febroary teo.




ANKARAOBATO
Ifandroritana ny fanampiana ireo tra-boina
Fanararaotan'ireo
mpanao politika tokoa ny fisian'ny tra-boina. Tonga teny Ifarihy, toerana misy ireo tra-boinan'ny kaominin' Ankaraobato, ny talata teo, ny mpikambana vitsivitsy avy ao amin'ny antoko Tim amin'iny faritr'Atsimondrano iny. Niaraka tamin'ny mpitantana samihafa eo anivon'ny faritra izy ireo.
Nitondra fanampiana izy, ary nilaza fa tsy nikarakara an'ireo tra-boina ao aminy ny kaominina. Vary 16 gony sy vola 1,5 tapitrisa ariary no nentin'izy ireo, natolony ho an'ireo tra-boina teny an-toerana.
Namaly izany anefa ny ben'ny tanànan'Ankaraobato, Ralaiseheno Guy Hasinjaka, ka nanipika fa efa tamin'ny andro nandalovan'ny rivo-doza nisian'ny tra-boina, efa ho herinandro izao, no nanampy azy ireo ny kaominina.
Niandraikitra ny fakana ny trano lay ialofany, nanome vary 500 kilao, labozia 2 baoritra, siramamy 50 kilao ny kaominina. «Mponina ato aminay ireo ka tsy maintsy karakarainay. Ny fahorian'ny olona ato aminay tsy hataonay fanararaotana», hoy izy.




PORT-BERGÉ
Mpampianatra 2 maty narendriky ny lakana
Mpampianatra roa, mbola azo lazaina ho tanora dia tanora ihany, satria samy manodidina ny 32 taona eo, no indray namoy ny ainy. Navadiky ny lakana tao amin'ny distrikan'i Port-Bergé, ny 22 febroary teo izy ireo. Nisy olona 12 izy no nitaingina lakana tamin'io. Saingy ny mpandeha 10 avotra soa aman-tsara. Fa ireto mpampianatra roa ireto no dobo an-drano.
Raha ny fanazavan'ireo vavolombelona avotra tamin'izao loza izao, dia nahita lolon-drano izy ireo teny am-povoan-drano teny. Izany hoe nahita aloka mainty be nanakona azy ireo. Voatery nandeha naka sisiny, hamonjy vodihazo izy ireo aloha. Kanjo teny am-pamohizana an'ilay lakana hamonjy izany ny mpivoy, no nivadika tampoka ny lakana.
Avotra ny 10, araka ny efa voalaza tery aloha, fa ireo mpampianatra 2 no tavela tao anaty rano tao.
Efa hita daholo ny razana, ary efa natolotra ny fianakaviany.




Tsena Pochard
May ny trano hevan'ny mpivarotra
Entam-barotra, asa-tanana malagasy mitentim-bidy hatrany amin'ny 100 tapitrisa any no lasa lavenona tao amin'ny tsena Pochard, afak'omaly alina. Tsy fantatra ny niavian'ny afo.
Trano hevan'ny mpivarotra asa-tanana miisa 15 no indray kila forehitra tao amin'ny tsena Pochard Soarano, afak'omaly alina. May avokoa ireo entam-barotra rehetra toy ny sary sokitra, lamba vita peta-kofehy, fitaovana vita amin'ny jiafotsy...
Raha ny tombatomban'ireo mpivarotra dia manodidina ny 100 tapitrisa eo ny teti-bidin'ny entana may. Ny an'ny mpivarotra iray fotsiny, raha ny fanazavan'Andrianarisoa Willia, mpivarotra niharam-pahavoazana, dia mitentina hatrany amin'ny 25 tapitrisa ariary ny fatiantoka tamin'izao haitrano izao. « Antom-pivelomako efa hatramin'ny ela ity fivarotana taozavatra malagasy ity. Tsy manan-katokona intsony aho izao fa hiainga amin'ny tsy misy indray », hoy izy.
Avy aiza ny afo ?
Nohazavain'ny delegen'ireo mpivarotra, Rahariveloniaina Sandy, fa tsy fantatra mihitsy izay niandohan'ny afo. Tsy misy herin'aratra ao, tsy misy mandrehitra afo koa. Nisy mihitsy tamin'io fotoana io ny mpiambina saika tavela tao. Nosokirina fa tsy tafavoaka. Ary izy ireo no niezaka namono ny afo raha vao niseho ny loza. Ny vavahady koa etsy andanin'izany mihidy ka tsy misy olona tafiditra.
« Tao amin'ny faritra afovoan'ireo tsena may ireo no niavian'ny afo, satria tao no potika tsy nisy noraisina », hoy ity delegen'ny tsenan'ny mpivarotra asa-tanana ity. Mpivarotra 20 no indray voakasik'izao haitrano izao.
Voalaza anefa fa tsy nisy nanao fiantohana ny fananany na dia iray aza. Etsy andaniny koa, mahaleo tena amin'ny fivarotany ireo mpivarotra ireo fa tsy miankina amin'ny tsenan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra.
Nakatona mihitsy, omaly tontolo, ny tsenan'ireo mpivarotra asa-tanana, noho ity fahavoazana ity.





Antsiranana
Miaramila roa voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tao Antsiranana ireto miaramila tranainy roalahy. Voalaza fa mpiray tetika amin'ireo andian-jatovo mpampihorohoro izy ireto. Araka ny fanazavan'ny kolonely Ravalomanana Richard, dia izy ireo mihitsy aza no anisan'ny mpampiofana ireo zatovo ao Antsiranana amin'ny fanaovana asan-jiolahy.
Araka ity manamboninahitra ity dia niainga tamin'ny olana ara-politika nisy teto amin'ny firenena, ny taona 1991 sy tamin'ny 2002, ny herisetra nataon'ireto zatovo ireto. « Milamina tsy misy korontana politika intsony eto, dia any amin'ny asan-jiolahy amin'izay ry zalahy no mandeha. Ary manofana andian-jatovo hafa », hoy izy.
« Ireo zatovo ireo no tena manao ny asam-panafihana ao Antsiranana. Mandroba, manafika mpivarotra, mamono olona... fa tsy dia ireo ankizy madinikina loatra », hoy Zazah, renim-pianakaviana. Ankizy madinika moa no voalaza fa tsy mampandry ny renivohitr'Antsiranana. Ary ireo mpizahatany no mitondra faisana indrindra.
Nanamafy izany ny lehiben'ny distrikan'Antsiranana I, Horace Patrice. « Efa andian-jatovo iray manokana mihitsy izy ireo. Maro mihitsy ny fitarainana mikasika azy ireo », hoy ity tompon'andraikitra ity.
Tsy misaraka amin'ny asan-jiolahy toy izao ny fandraisan-drongony. Vehivavy roa izay voalaza fa mpamatsy sy mpivarotra rongony an'ireto andian-jatovo ireto.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ambohimanambola - Hita ny fatin'ilay tovovavy. Hita ary nofongarina, omaly hariva teny Ambohimanambola, ny fatin'ilay tovovavy, Ramangaseheno Cynthia, sakaizan'ilay tovolahy mpampandihy maty novonoin'ny namany, ny asabotsy teo. Teny amoron-drano teny akaikin'ny orinasa Jirama no nandevenan'ireo jiolahy azy.
Imerintsiatosika - Namboly hazo ny Brigade routière. Zana-kazo miisa 1 000 fototra no indray novolen'ny sampan-draharaha ankapobeny eo anivon'ny Sécurité routière, ny asabotsy lasa teo, teny Imerintsiatosika. Tafiditra ao anatin'ilay tetik'asan'ny governemanta amin'ny revolisiona maitso izao hetsika izao.
Nangonin'i




Anjanamasina
Tapaka ny rano nandritra ny roa andro
Tapaka tampoka teo nandritra ny roa andro ny rano mankao amin'ny akany fanabeazana eny Anjanamasina . Sahirana araka izany ireo ankizy avy any Antsiranana.
Roa andro, nanomboka ny alarobia hariva teo ka hatramin'ny andron'ny alakamisy, no tsy nahita rano ny akany fanabeazana ireo zaza mania eny Anjanamasina. Anisan'ny olana iray lehibe amin'ny fanatanterahana ny asa ao an-toerana izany, indrindra fa ho an'ireo ankizy 23 lahy avy any Antsiranana.
Raha ny fanazavan'ny mpandrindra eo anivon'ny fikambanana tsy miankina FIVE (Fampandrosoana ifarimbonana mba ho vahaolana antoky ny lavitr'ezaka), Ravoson Alice, izay anisan'ny miasa mikarakara ireo zaza mania eny Anjanamasina mantsy dia zaza tia rano ireto ankizy avy any Antsiranana ireto.
« Efa zatra ny toe-tany mafana tany aminy izy ireo, hany ka tia misaika. Manao izany foana izy ireo na dia somary mangatsiaka aza aty Anjanamasina. Hany ka sahirana ny ankizy amin'ny fahatapahan'ny rano. Miteraka fahasorenana ho azy ireo mihitsy aza izany », hoy izy.
Toe-tany vaovao
Nambarany fa any ambany be any izy ireo no mantsaka, mitaona rano mankao amin'ny akany. Nosoritany fa efa manomboka zatra amin'ny fiainana ao amin'ny akany ireo zaza ireo amin'izao fotoana izao. « Tsara ny fikarakarana azy, na ara-tsakafo izany na ara-pahasalamana. Ny fisian'ny ankizy hitany beazina ato ihany koa dia manamafy ny fahatanjahan'ny sainy », hoy izy.
Voalaza mantsy fa tsy maintsy mandalo fizaham-pahasalamana isan'andro ireo ankizy beazina ao, indrindra fa ireo avy any Antsiranana noho izy ireo misedra toe-tany vaovao.
Eo amin'ny fitafiana, na dia nisy tsy nahatondra afa-tsy ny teny an-kodiny aza izy ireo, dia misy ny fanomezana sy ny fanampiana ataon'ireo fikambanana samihafa miara-miasa amin'ny akany, amin'ny alalan'ny minisiteran'ny Fahasalamana.
Tsy dia misy resaka habibiana na asan-jiolahy goavana toy ny nataon'ireo andian-jatovo izay tanana eny Antanimora moa, raha ny vaovao azo, ny nataon'ireo ankizy mania avy any Antsiranana beazina ao Anjamanamasina.





Andohan'Analakely
Iray maty, efatra naratra navadiky ny fiara
Mpiasa iray manolotra fandaharana ao amin'ny televiziona RTA, Rajemisa Eric Raolison (25 taona), no namoy ny ainy, omaly maraina vao mangiran-dratsy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo teny Andohan'Analakely.
Nivadika ambony ambany teo amin'ny arabe mihitsy mantsy, raha ny fanazavana azo, ilay fiara kely 309, nitondra azy ireo.
Mpiasa 5 mianadahy izy no tao anatin'ity fiara kely ity. Saingy ity iray ity ihany no tsy avotra. Ireo efatra mianadahy namany naratra mafy ary nentina novonjena haingana tany amin'ny hopitaly.
Ny iray tamin'ireo naratra no fantatra fa efa afaka nody taorian'ny fitsaboana azony teny amin'ny hopitaly, fa ny telo ambiny kosa notanana hopitaly. Ny iray amin'izy ireo moa no voalaza fa somary voa mafy, ka tsy maintsy naiditra ny efitrano fameloman'aina.




Afera irakiana
Any am-ponja izy roa lahy
Ao amin'ny fonjan'Antanimora amin'izao fotoana izao, raha natolotra ny Fampanoavana afak'omaly, ireo miaramila teratany irakiana roalahy voasambotry ny polisy manara-maso ny fivezivezen'ny vahiny tany Nosy Be, ny herinandro teo.
Raha ny fanazavana nomen'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena omaly tao Anosy, dia noho ny hosoka nataony tamin'ilay pasipaoro nentiny no nahatonga azy roa lahy ireto hotanana am-ponja vonjimaika. Izay rahateo moa no nahatrarana azy ireo tao an-tseranam-piaramanidin'i Nosy Be, ary nanomboka teo ny famotorana.
Nohazavain'ity tompon'andraikitry ny polisy ity fa ny fiaraha-miasan'ny polisim-pirenena malagasy amin'ireo polisin'ny Interpol no nahafahana nisambotra an'ireto teratany irakiana ireto.




Ankazobe
Fatin-dehilahy tsy misy loha sy tongotra
Hatairana, afak'omaly maraina, ny an'ireo olona sendra nandalo tamin'iny faritr'i Tampoketsa amin'iny lalam-pirenena iny, raha nahita an'ity fatin-dehilahy iray tao amoron-dalana.
Tsy nisy lohany intsony ilay razana no sady tsy nisy tongotra roa (hatreo amin'ny feny no midina) ihany koa. Izany hoe ireo rehetra ireo tsy nisy nipetaka teny amin'ny vatany fa nofiraina notapahina tarangana. Tsy hita izay nisy azy.
Nisy namono izy izany, raha ny zava-misy, ary ho an'ny mpanara-baovao dia mampahatsiahy ny namonoana an'ireo mpianaka teny Antsahabe, roa taona lasa izay.
Ny fitafian-dehilahy teny an-kodiny sy ny mahalehilahy azy sisa izany no namantarana azy avy ety ivelany fa lehilahy izy.
Raha ny vaovao azo avy tany an-toerana dia olona avy eny amin'ny manodidina ihany ity lehilahy nisy namono ity. Ny alatsinainy teo izy no niala tao an-tranony. Hamboly hazo teny Tampoketsa no voalaza fa nialàny tao an-tokantranony ary dia iny izy no tsy hita. Niezaka nitady azy ny fianakaviany. Nefa tsy hita izy raha tsy io alakamisy io. Amin'izay vatana voarasarasa sisa no hita.
Naterina avy hatrany tao amin'ny tranom-paty tao amin'ny hopitaly tao Ankazobe ny razana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tanjombato - Renim-pianakaviana namono zanaka. Eo am-pelatanan'ny polisy amin'izao fotoana izao ilay renim-pianakaviana namono nahafaty ny zanany menavava teny Ambohimanatrika Tanjombato, ny alarobia teo. Nokendainy ilay zazakely no sady nopolopolesiny ka rehefa maty dia nalatsany tany an-davapiringa.
Soavimasoandro - Tokantrano iray notafihin'ny jiolahy. Solosaina, finday ary ny lelavola tahiry, ireo no indray norobain'ny jiolahy tao amin'ny tokantrano iray teny Ivandry, omaly maraina vao mangiran-dratsy. Nirongo basy ireo jiolahy ka tsy nahetsika ireo tompon-trano fa dia nijery fotsiny ny fananana nahoron'ireto mpanafika.
Nangonin'i




Audiovisuel (5)
Rta
Les animateurs de la RTA en photo de famille.




Fitakiana an-kafatra
Anisan'ny herin'ny fanabeazana ara-java-kanto lehibe indrindra eo amin'ny kolo-tsaina ny Hira sy ny Mozika ka izay no resahina eto.
Nandritra ny taona maromaro izay dia hita miharihary fa zary niova ho be tsy andraofana ny ankamaroan'ireo hira sy clip heno sy hita etsy sy eroa amin' ny alalan'ireny haino aman-jery samihafa ireny. Misy dia tena kitoatoa mihitsy. Ny sasany aza, tsy vitan'ny efa tsy matotra fa mbola miteniteny foana tsy misy fotony.
Koa saro-piaro amin' izany izahay izay manafatra etoana satria tsy tianay ho simba tanteraka noho izany ny taranaka Malagasy. Tianay hanana ho avy mendrika ara-mozika ny zanakay raha eo amin'ny sehatry ny fanabeazana.
Angamba efa mora loatra ny fampidirana ny hira amin'ireny haino aman-jery ireny ankehitriny. Tsy misy intsony ny sivana na dia ho an'ny fahamatorana sy hajan'ny «station» tsirairay fotsiny aza. Tsy mahagaga koa anefa fa nohon'ny fahantrana mianjady dia misy ny «kolikoly» atao amin'ireo mpiasan'ny «station» ireo. Na izany aza dia aiza ny toerana misy ireo tompon'andraikitra voalohany (tale, tompony,) amin'ny fanaraha- maso ny mpiara-miasa? Ny tsy fijeren'ny tompon' andraikitra eo anivon'ny fitondram-panjakana an' izany aza dia manginy fotsiny. Tsy dia misy rahateo moa ny «infrastructure» eo amin'ny fandraharahana ny famokarana mozika eto amintsika ka manao izay danin'ny kibony avy ny rehetra izay tsy manana traikefa.
Vokatr'izany dia:
- Vohafahan-dalitra ara-mozika sy hira ny zanaka Malagasy.
- Manjaka eny amin'ny fahitalavitra sy ao amin'ny radio ny ankamaroan'ny vokatra tsy mendrika ka ireo foana no hamokisana ny vahoaka.
- Lasa malaza ny hira sy izay mpihira azy satria ireo foana no maha donto ny sofina isan'andro ka lasa voarain'ny olona.
- Mankalaza ho azy ny mpanoratra an-gazety na dia efa teo ihany koa ny tsolotra.
- Torak'izany koa ireo tompon'andraikitra amin' ny fandaharana hit parade isan-karazany ireny. Manampy trotraka ny kolikoly amin'ny fametrahana ho laharana voalohany foana an'ireny hira ireny.
- Mampalahelo fa na ireny naneho ny safidiny ka niala vola tamin'ny SMS tamin'ireny «Hawards» ireny aza dia tsy natombina mihitsy fa izay tian'ny mpikarakara omena trophée ihany. Ny valopy misy ny valin'ny fifaninanana aza angamba dia efa mety voaomana alohan'ny fifidianana.
Izay no zava-misy fa dia mba miangavy ny rehetra tonga saina izahay mba hiara-hiady amin'ny sakana tsy ho fampandrosoana ny firenena. Farafaharatsiny dia mba omena safidy ihany ny vahoaka amin'ny hira sy mozika hitaizana azy mandrakizay amin'izay alefa amin'ireny haino aman-jery ireny fa tsy dia adala loatra tsy akory ny Malagasy.
Rindrambao Lutibrice




Brève
Indice
Institution - Le réseau Cecam utilise l'Orchid microfinance. Le réseau des Caisses d'épargne et de crédits agricoles mutuels de Madagascar (Cecam) utilise aujourd'hui le logiciel Orchid microfinance. La mise en place du logiciel a été financé par l'Union européenne, l'Agence française de développement et le Millenium challenge account.




Fitanterana
Taxibe maro tsy ara-dalàna ara-teknika
Mimenomenona ireo tompon'na taxi-be noho ny fitsongolohana atao amin'ireo fiarany. Tsy afa maina koa ireo mpamily
Ny fitsirihana ara-teknika tampoka, karazana sazy natao ireo taxibe ao amin'ny zotra 165 no nahalalana fa betsaka amin'izy ireo no tsy manara-penitra. Tsipahin'ny mpanjifa sy ny mpitatitra anefa ity fepetra ity.
Natao fitsirihana ara-teknika tampoka avokoa ireo fiara rehetra ao anatin'ilay kaoperativa Mihary, misahana ny zotra 165 misy ilay taxibe nandona mpianatra teny Ankorondrano, ny zoma lasa teo. Teo no nahalalana fa ny 24 tamin'ireo taxibe 31 no tsy ara-dalàna. Ny jiro, ny frein ary ny seza (capitonnage) no tena nozahana tamin'izany.
Tsy tan-dalàna ny mpamily
«Teo amin'ny lafin'ny jiro no tena nahitana olana betsaka », hoy Ramangason, lehiben'ny sampandraharahan'ny Fitanterana eo anivon'ny kaominin'Antananarivo-Renivohitra. Najanona tsy niasa avy hatrany moa ireo fiara ka hita ho tena nampijaly ireo mpandeha mihazo an 'Androhibe sy ny manodidina iny.
« Tsy rariny kosa ny fanasaziana ny mpandeha raha ny taxibe no manao ny tsy mety », hoy ity raim-pianakaviana iray mpandeha isan'andro amin'ireo ligne 165. Miombon-kevitra amin'ity mpanjifa ity koa i Hary Saholy Razafindratsira, filohan'ny kaoperativa Mihary, raha nitaraina ny amin'ny fatiantoka zakain'ireo tompona fiara rehefa misy ny fitsirihana faobe vokatry ny lozam-pirakodia iray toy izao.
« Voatery tsy niasa iray andro ny fiaranay nefa raha ny marina tokony hampiditra 40 000 ariary isanisany izy ireo », hoy Hary Saholy Rafindratsira. Miaiky izy fa tokony ho sorohana ny loza. « Nefa tokony hosoritana tsara ny tena tompon'andraikitra rehefa mitranga ny toy ireny », hoy izy.
Nambarany fa io fiara nandona olona io no isan'ny tsara indrindra ary tena voakolokolon'ny tompony tokoa ao amin'ny kaoperativa.
Manaitra ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina ary ny filohan'ny kaoperativa Mihary ny amin'ny tokony handraisana fepetra hafa raha tsy maintsy hosaziana ny kaoperativa. Nanamafy izany ihany koa Randrianarisoa Arilanto, filohan'ny kaoperativa Mirindra ao amin'ny Zotra 194.
«Tsara ny fanaraha-maso atao ny fiara. Nefa tsara kokoa raha ny mpamily sy ny fitondrantenany mihi-tsy no jerena akaiky» hoy izy. Isan'izany ny fizaham-pahasalama atao azy ireo.
« Betsaka no efa simban'ny zava-pisotro misy alikaola sy ny fidorohana zava-mahadomelina ka mahatonga azy ireny tsy hahafehy intsony ny familiana ny fiara entiny » hoy ihany izy.
Olana iray lehibe ihany koa ny fahasarotan'ny fampiharana fitsipika na dia samy mametraka izany aza ireo kaoperativa rehetra. « Tsy mety ho tan-dalàna mihitsy ireo mpamily », hoy Randrianarisoa Arilanto.





Ivandry
Potika noho ny lalaon'ny Nosy ny làlana
Mampikaikaika ny mponina eny Ivandry ny fahapotehan'ny làlana eny an-toerana . « Tsy ho azo aleha intsony ny làlana mamakivaky ny tanànanay atsy ho atsy raha mbola mitohy ny orana », hoy ny fitarainan' ny sefom-pokontan'Ivandry, Liva Andriniaina. Ny làlana miala ny arabe miditra ao amin'ny fokontany ka mivoaka any amin'ny araben'Alarobia eo anoloan 'ny kianjan'Alarobia io ambarany io.
Simba tanteraka ny pavés ka mpampikaika ireo mpitondra fiara. Torak'izany koa ilay ampahan-dàlana izay vita tsara ihany teo aloha saingy notrongisina tamin'ireny fanomanana ny fandraisana ny Lalaon'ny Nosy ireny. «Noravana io làlana io satria havaozina hono. Indrisy anefa fa dia tsy tanteraka izany na dia efa hitanay teo tokoa aza ny fitaovana lehibe an'ilay orinasa saika hanao ny asa », hoy ny sefom-pokontany.
Naato tampoka hoy ity tompon'andraikitra ity ilay asa, araka ny fanazavana azony, satria lany hono ny vola. Voatery nanajanona ny asa na dia efa nanomboka nanao ny ampahany ihany aza ilay orinasa. « Efa nisy ny pavés vita saingy toa tsy zarizary ka io izy potika tanteraka io », hoy izy.
Mihevitra arak'izany ireo mponina eny an-toerana fa mbola tompon'antoka amin'ny tokony hanarenana indray io pavés io ilay orinasa nanao azy. Tsy izany anefa hoy ny sefom-pokontany no zava-misy. Nitokona tsy nandray ny zava-bita ny tompon'andraikitra teo an'ivon'ny kaominin'Antananarivo-Renivohitra (CUA) tamin'ny fotoan'androny noho io tsy fahalavorariana io. Tsy naloa arak'izany ihany koa ny volan'ilay orinasa.
Mahagaga anefa hoy ny solontenam-pokonolona eny Ivandry fa rehefa nanatona ireo tompon'andraikitra voakasik'ity asa ity izahay, dia ny kaomity mpikaraka ny lalaon'ny Nosy (COJI), ny CUA ary ny orinasa nanao ny lalàna, dia toa mifanilika samy tsy te ho tompon'andraikitra izy ireo.
Milaza ny sefom-pokontanin'Ivandry fa efa nisy ihany ny taratasy nalefany tany amin'ny lehiben'ny boriboritany faha-5, izay vao notendren'ny ben'ny tanàna vaovao, fa mbola tsy nahazoana valiny mahafa-po hatramin'izao.





Ambohidratrimo
Rakotra dian'antsy ny fatin'ilay vehivavy
Vatana mangatsiaka na renim-pianakaviana feno dian'an-tsy no hita tao Amparihy Ambohidratrimo omaly vao maraina. Rakotra dian'antsy ny vatany sy ny tavany. Vaky noho ny vely maritoa ny lohany. Faty efa nihosin-drà sy nanomboka namoaka fofona no hita tao an'efitranony omaly maraina.
Mipetra-drery miaraka amin-janany sy ny mpiasa vaviny ity renim-pianakaviana ity. Raha ny fanadihadiana natao dia misy mpivady mipetraka tsy lavitra ny trano misy azy ireo, izay nametrahan'ity mpiasavavy ity ny zanak'ilay ramatoa hita faty, afak'omaly maraina. Niandry ny hakàn'ity mpiasa ity ilay zaza izy mivady ny hariva saingy tsy tonga ity farany. Nantsoina an-tariby ihany koa ny reniny saingy tsy namaly. Nanapa-kevitra noho izany izy ireo fa hanatitra mivantana ilay zaza any an-tranony omaly vao maraina.
Nodomina ny varavarana saingy tsy nisy namaly. Voatery novakiana noho izany ny varavarana ary nanomboka teo an-dalantsara no efa nahitana rà nitete ka hatrany an'efitranon'ny renin'ilay zaza. Mbola nihidy ihany koa ny varavaran'ny efitrano nisy ity ramatoa ka tsy maintsy novakiana. Faty efa nihosin-drà no hita tao.
Raha ny tombatomban'ireo mpitsabo nanao ny fizahana dia efa ny zoma no maty ity renim-pianakaviana ity. Io zoma alina io ihany anefa dia nahare an'ity mpiasavavy ity niantso vonjy ireo fokonolona saingy rehefa nanontaniana ny anton'izany dia nilaza izy hoe nanofy fa tsy misy na inona na inona akory.




Anosimanjaka
Mpandeha naratra
Mpandeha 35 naratra. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Anjozorobe, fokontanin'Anosimanjaka afak'omaly tamin'ny iray ora tolankandro.
Fiara Mercedes 608 izay taksiborosy mampitohy an'Ampangabe amin'Antananarivo Renivohitra ity niharan-doza ity. Hizotra hiakatra ho aty an-drenivohitra izy io nivarina tany anaty tanimbary io.
Raha ny fanazavana nangonina dia nifanena tamina fiara «cylindre» lehibe iray ho any Ampangabe ity taksiborosy ity izao niharan-doza izao. Tsy nifandona akory ny roa tonta fa naka sisiny hamela ilay fiara handeha ilay taksiborosy dia nivarina tany anaty tanimbary. « Naka sisiny loatra ilay taksiborosy ka izay no antony nampivadika azy », hoy ny zandarimariam-pirenena.
Ny 15 tamin'ireo mpandeha naratra no tena voa mafy, raha ny fantatra. Isan'ireo voa mafy tamin'izany ny mpamily izay mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao.




Toliara
Olona roa maty nihinana trondro kely
Nampiditra angano ny fihinanan-trondro tao Toliara. Olona roa no maty ary 24 hafa naiditra hopitaly. Fantatra fa misy lomotra mahafaty nanapoizina ireo trondro ireo.
Nisahotaka ny tao Toliara renivohitra hatramin'ny alakamisy teo. Taorian'ny nandrenesana fa nisy olona roa maty nihinana trondro voapoizin'ny lomotra. Zazakely vao 5 taona monja sy ramatoa iray no fantatra fa maty. Olona 24 hafa voatery naiditra hopitaly tao Antanambao.
« Efa afaka nody any an-tranony avy ireo olona ireo ankehitriny, satria efa sitrana soa aman-tsara », hoy ny fanazavan'ny dokotera Raymond Daniel, lehiben'ny hopitaly Be. Ny ben'ny tanàna koa etsy andaniny nanamafy fa hentitra ankehitriny ny fepetra ao Toliara.
Mila mailo
«Tsy azo amidy rehefa trondro kely rehetra, hatramin'ny faran'ny volana marsa. Izy ireo mantsy dia misy poizina mety mahafaty ka mila mitandrina ny rehetra. Ny mpitandro ny filaminana mihitsy no milatsaka mijery ireo tsy manara-dalàna amin'izao », hoy i Dr Fiacre Hatimo, ben'ny tanànan'i Toliara renivohitra.
Vokatr'izany dia tsy ahitana intsony ity trondro mampalaza an'i Toliara ity any an-toerana. Vita hatreo ny trondro atsatsika na endasina. Tapaka miaraka amin'izay ny fidiram-bolan' ireo mpanarato sy ny fianakaviany. « Efa tranga fahita any Toliara izao toe-javatra izao. Na ny olona aza tsy gaga intsony amin'izany. Na izany aza mila mailo ny rehetra », hoy ihany ny fanazavan'Ingahy ben'ny tanàna.
Hatramin'izay mantsy, hoy ny fanazavan'ny ao amin'ny ivon-toeram-pikarohan'ny harena an-dranomasina dia fotoana mahabetsaka ireo karazana lomotra ireo ny volana desambra hatramin'ny marsa.
Ny fepetra tsy fivarotana ireo trondro araka izany dia mitoetra hatramin'ny volana aprily. Ny mpitandro ny filaminana ao Toliara renivohitra no manampy ny kaominina amin'ny fanaraha-maso izany.





Nlim - Franklin Covey
Misy mpitantana orinasa hofanina eny Iavoloha
Ny fametrahana ireo fahazarana fito amin'ny fomba fisainan'ny olona. Io no hampiofanana ireo mpitantana eo anivon'n y seha-pamokarana miankina sy tsy miankina
amin'ny fanjakana. Ny 4, 5,6 marsa izao etsy amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.
Ny fiaraha-miasa ny National Leadership Institute of Madagascar sy ny Franklin Covey no manatanteraka izao fampiofanana izao. «Ireo sehatra rehetra ao anatin'ny Madagasikara dia voakasika ao anatin'ny fitantanana avokoa», hoy i Hubert Rakotoarivony izay talen'ny Nlim. Izany no imasoan'izao fiaraha-miasa ho amin'ny fampandrosoana haingana izao. Mahatratra 20 ireo mpitantana orinasa handray anjara amin' ity fiofanana voalohany iarahana amin' ny Franklin Covey ity eto amintsika, ka hampita ny fahaizany amin'izany i Jonathan Mills izay lehiben' ny Franklin Mills aty Afrika Atsinana sy Andrefana.
Ny tanjona amin'izao dia ny haha matihanina sy ny
ahitan'ireo mpandraharaha vokatra mahomby eo amin'ny seha-pamokarana. Ny fahaiza- mitantana no mampandroso haingana ny orinasa, tsy latsa-danja amin' izany ny fampandrosoana ny firenena.
Maro ireo efa nahazo ny fiofanana momba ny fahaiza-mitantana teto amin'ny Nlim toy ny sefom-pokontany, ny fiangonana ... Madagasikara no firenena miteny frantsay voalohany ao anatin'i Afrika mahazo izao fampiofanana iraisam-pirenena izao. Firenena 150 maneran-tany no hiasan'ity Franklin- Covey ity.
S.W. (Mmpiofana)





Zavaboary
2008, taonan'ny sahona
Dieny mbola tsy ahiana ny hoavy ratsin'ny sahona eto amintsika dia naka bahana ireo mpikirakira ny zavaboahary eto Madagasikara. Isan'izany ny Fikambanana Mitsinjo ao Andasibe sy ny Conservation International izay namoaka ny «Sahona gasy action plan», natao hiarovana ireo biby ireo.
Mba ho fiarovana azy ireo indrindra sy entina hanairana ny sain'ny maro mba tsy hamono fahatany ireny sahona ireny no antony hankalazana ity 2008 ity ho taonan'ny sahona.
Voalazan'ny Dr Rainer Dolch, mpitantana ny Fikambanana Mitsinjo, fa maro ireo soa azo avy amin'ny fiarovana ny sahona. Ary biby tokony arovana tokoa izy io.
Ny tsiboboka ohatra dia mihinana ny atodi-moka miafina any anaty tanimbary no sady mandrango ireo biby mpanimba ny voly vary. Ilaina koa ny sahona satria izy ireo dia foto-tsakafon'ny biby hafa toy ny vorona, sahona hafa karazana, ny biby mpihina-nofo ary ny bibilava.
Ho fampahafantarana indrindra ireo sahona misy eto an-toerana sy ireo reptilia miaraka aminy dia nadika amin'ny fiteny malagasy tanteraka ilay boky andiany fahatelo « Field guide to the amphibians and reptiles of Madagascar », izay mitondra ny lohateny hoe : « Toro-hay momba ny amphibia sy reptilia ».
Tsy hita n'aiza n'aiza
Ireo takelaka 500 ao anatiny dia mampiseho amin'ny antsakany sy andavany ireo amphibia 238 sy 363 reptilia. Marihina fa 100% amin'ny amphibia sy 94% ny reptilia dia tsy hita n'aiza n'aiza afa tsy eto Madagasikara.
Isan-taona moa dia misy foana ny fikarohana ataon'ireo manam-pahaizana vahiny toa an-dry Dr Frank Glaw sy ny Pr Miguel Vences momba ireo andiana biby ireo eto amintsika. Milaza izy ireo fa tsy latsaky ny zato isan-taona ny, amphibiens vaovao hitan' izy ireo. Eo an-dalam-pikarohana ny hafa indray izy ireo harakitra ao anatin'ny boky andiany fahefatra.





Mahajanga
Fampiofanana tanora amin'ny fitadiavana asa
Ho fanampiana ny tanora eo amin'ny fitadiavana asa sy hananan'izy ireo fahalalana manokana no nanaovana fampiofanana nandritry ny enim-bolana tao amin'ny foibe ao Mahabibokely.
Olana goavana sedrain' ny tanora ny fahasarotan'ny tsenan'asa. Manampy trotraka ny tsy fananan'ireo tanora fahalalana manokana (spécialisation) sy ny tsy fahatojoana hatramin'ny farany ny fianarana ankapobeny.
Vokatry ny fanadihadiana efa nataon'ny Enfants du Monde-Droits de l'Homme (EMDH) dia nisy ny vahaolana naroson'izy ireo. Ho fanohitra amin'izany sy ho anjara-birikiny amin'ny fampandrosoana ny CU Mahajanga, niatomboka tamin'ny taona 2006.
Nomen'ny EMDH fiofanana fanomanana mandritra ny 3 volana ireo tanora hitan'izy ireo fa tena sahirana. Hiantohan'izy ireo ny fiofanany amin'ny lalam- piofanana arak'asa iray, araka izay manavanana ny tsirairay, mandritra ny 6 volana avy eo.
Natomboka hatramin'ny taona 2006 izany. Efa mihoatra ny 400 ankehitriny ireo nahazo tombontsoa tamin'izany. Mivelatra sy misokatra amin'ireo lalam-piofanana rehetra misy ny EMDH : informatique, mécanique, taovolo, zaitra, secrétariat, fahandroana, fanaovana mofomamy...
Tsy nionona tamin'izay anefa ny EMDH fa nanitatra hatrany ny fomba fiasan' izy ireo, mba hisian'ny fanaraha-maso ireo rehetra nomem-piofanana aorian'ny fitadiavana tsenan'asa ho azy ireo. Teraka teo ny tsirin-kevitra amin'ny fitadiavana fikambanana tsara sitrapo ho mpiara-miasa sy ny fananganana Centre ressource emploi des jeunes na CREJ, natao ho foibe ifamoivoizan'ny tanora mpitady asa sy ny tsenan'asa.
Fikambanana misahana ny Maison de Quartier ao Mahabibokely ny fikambanana Marozatovo. Azo lazaina fa isan'ireo tena mihetsika indrindra amin' ireo Maison de Quartier 5 naorin'ny CU Mahajanga, ny ao Mahabibokely izay tantanan'ny fikambanana Marozatovo.
Izay antony izay no nahatonga ny fifanatonana teo amin'ny CU Mahajanga, izay soloin'ny ben'ny tanàna Dr Rakotoarimanana Jean Nirina tena, sy ny EMDH izay tarihin'ny lehibeny, Jean Claude Pinvidic. Apetraka amin'izy ireo ny tetikasa « Ivon-toerana ho fanovozam-pahalalana arak' asa sy ho Tsenan'asa hoan' ny tanora » (Centre ressource emploi des jeunes).
Sonia fifanekena
Nisy ny fifamatoram-piaraha-miasa toko telo niarahan'ny CU Mahajanga sy ny EMDH ary ny fikambanana Marozatovo, izay notontosaina ny 5 marsa teo.
Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanekena ary namoriana ireo mpiara-miombon'antoka ara-piofanana rehetra sy ireo mpandraharaha manokatra tsenan'asa hoan'ireo tanora izany, tamin'ny alalan'ny lanonana tsotsotra natao tao amin' ny Maison de Quartier Mahabibokely ihany. Natomboka tamin'io fotoana io ihany koa ny fanombohana ny fotoam-piofanan' ireo 30 mianadahy vao noraisina an-tanana, hisantatra ity foibe CREJ ity.
Araka ny fanazavana nomen'Atoa Ranaivo Jean Louis lehiben'ny tetik'asa CREJ eo anivon'ny EMDH dia « tsy hifaninana amin' ny sampandraharahan'ny asa (service de l'emploi) akory ny EMDH raha nanorina ny CREJ. Fa hitondra ny anjara birikin'izy ireo amin'ny fampandrosoana. Ny tena tsapa dia mora kokoa ho an'ny tanora sahirana ny manatona ny Maison de Quartier, noho ny mandeha any amin'ny Sampandraharahan'ny asa».
«Misy ny fifanekem-piaraha-miasa izay nifanaovana tamin'ny sampandra- harahan'ny asa sy ny Antenimieran'ny Varotra sy ny indostria. Heverina fa mifameno sy mifanampy tsara izahay fa tsy mifampisalovana andraikitra akory. »





Toamasina
Misy tambajotran'ny varotra fitaovam-piadiana
Avy aty Antananarivo ny bala nentina nanaovana asan-jiolahy nifanesy any Toamasina hatramin'ny taona 2005.
Misy tokoa fa tsy honohono intsony ny tambajotran' ny mpivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika eto Toamasina. Voaporofo izany nandritra ny fanadihadiana natao nandritra ny fotoana maro niarahan'ny sivily mpitsongodia sy ny polisy manao fitafiana sivily.
Bala 120 isa sy fahana miisa efatra no sarona. Olona enina mianadahy no efa voasambotra hatramin' izao ka ny efatra voasambotra taloha no efa any Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana azy taorian'ny nanaovan'ny Fampanoavana ny famotorana ny alarobia tolak' andro teo. Vao nanomboka ny Alakamisy tolakandro teo kosa ny famotorana ny roa mianadahy tratra taty aoriana.
Raha tsorina dia fanadihadiana niainga avy tamin' ny fanafihana mitam-piadina, nanomboka ny taona 2005, ity raharaha ity. Saika bala mitovy marika hatrany mantsy no nampiasain'ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nanomboka tamin'io taona voalaza etsy ambony io ka hatramin' izao. Izany hoe laharana 31/75, miloko maintso ny vodi-bala.
Raha tsy ilaza afa tsy ny fanafihana tao Ambolomadinika tamin'ny taona 2005, nahatrarana an-dry Basil ny 28 desambra 2006, nampihorohoro tao Toamasina nandritra ny erin-taona.
Fanafihana tao Ambolomadinika ihany ny 2 janoary 2008, ka nandrobàna 40 tapitrisa Ariary ary ny fanafihana sy fandrobàna volan' ny orinasa SKT mitentina 16 tapitrisa Ariary ny 29 febroary lasa teo. Ireo rehetra ireo dia mitovy avokoa ny laharan'ny vodi-bala hita, miloko maitso, laharana 31/75.
200.000 Ar ny kalaky
Tato anatin'ny tapabolana dia nampiasa mpitsongodia ny polisy. Nisy lehilahy iray antsoina hoe Louis de Vicks, nilaza tamin'izy ireo fa misy basy Kalchnikov amidy 200.000 Ariary. Natao ny fotoana hifamarotana ny basy, ka tompon'andraikitra ara-panjakana iray eto an-toerana no nanome ny vola ho atao ofana.
Tsy nitondra ilay basy kalachnikov kanefa ilay remby fa fahana iray feno bala 30 isa sy bala fotsy efatra no nentin'i Louis de Vicks. Teo no nahavoasambotra an'ity voalohany. Famotorana an' ity farany no nahitana ny namany telo hafa : Clebert, Prosper, Gilbert. Ny fisavana ny tranon'i Louis no nahitàna fahana telo hafa indray, izay samy efa feno bala avy, ary fitafiana miaramila.
Tsy vita hatreo ny raharaha fa nanonona anaram-behivavy izy ireo. Voalaza fa mpanelanelana amin'ny famarotana ny bala : Jeannette. Nandà ny fiampangana azy ity farany ary nilaza fa izany Benaivo, mpiambina trano mifanila eo amin'ny Fitsarana ambony, no mampaniraka azy mivarotra bala. Nosamborina ny Alakamisy teo ihany koa ity farany ka nahatrarana bala fotsy miisa 12 be izao.
Nandritra ny fanadihadiana rehetra no nanontaniana ny tompon'andraikitra ny polisy, zandary ary miaramila teto an-toerana.
Samy nilaza fa tsy laharan'ny balan'ny faritanin'ny miaramila fahatelo ny 31/75 fa an'ny faritanin'ny miaramila voalohany any Antanananrivo. Ny laharana faha 270/74 no laharan' ny balan'ny faritanin'ny miaramila fahatelo eto Toamasina.
Tita Aimé (Mpiofana)





Valo Marsa
Vehivavy 10 950 nandray anjara
Tsy nahasakana ireo andriambavilanitra ny orana mikija sy hatsiaka teto Toamasina ny asabotsy 8 marsa, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Nahatratra 10 950 izy ireo no nanao caranaval.
Tonga teto ny avy any amin'ny disitrika 7 anatin'ny faritra Atsinanana. Amin'ny ankapobeany, nilamina sy afa-po tamin'ny hetsika ireo andriambavilanitra.
Ny 5 marsa no nanomboka ny fankalazana tamin' ny atrikasa nokarakarain'ny SOS Villages d'Enfants eo Mangarano. Ny faha 6 sy 7 marsa dia notohizana
tamin'ny varavarana misokatra momba ny fanondranana sy fanodikodinana olona antsokosoko.
Ny DRV sy Fafed, izay tarihan-dramatoa Zafitsara Maria, no nitarika azy tao amin'ny Lapan'ny tanàna. Ny filoha nasionalin' ny Dinika sy rindra ho an'ny vehivavy, ramatoa Lalao Randriamampionona, no nanokatra ny fotoana amin'ny fomba ofisialy.
Anisan'ny nahitàna ny fomba nanaovana ny hetsika rehetra ny vondron'ny fikambanana miaro ny zon' ny vehivavy sy ankizy, tarihan- dramatoa Ialphine Papisy sy ny Dokotera Razafindrafara Georgette izay mitarika ny vehivavy ny 8 marsa noho ity farany avy ao amin'ny sampan-draharahan'ny fahasalamana, miaro sy miahy ny vehivavy.
Tita Aimé (Mpiofana)





Toliara
Une gouvernante étranglée par un voleur
S'introduisant dans le domicile d'un particulier dans la ville de Toliara, un bandit a étranglé la gouvernante de la maison. Après l'avoir tuée, le malfaiteur s'est emparé d'un ordinateur portable, d'une caméra numérique, de deux téléphones portables et de deux appareils photo numériques.
Le crime a été commis la nuit du 3 mars dans la cité de la société immobilières Seimad à Toliara.
Parties à la recherche du suspect, les forces de l'ordre ont pu récupérer une partie des objets volés, à savoir l'ordinateur, la caméra et les téléphones portables. Le meurtrier est toujours dans la nature.




Andavamamba - Isotry
Mpisoloky vatosoa nitana basy
Nahodinkodin'ity lehilahy iray ny vatosoa 2,200 kg. Norahonany sady nambanany basy ireto namany raha nifanazava taminy ny fizotry ny varotra taty Antananarivo.
Vatosoa « beryl rose » mitetim-bidy 11 tapitrisa ariary no tsy hita, nahodinkodina lehilahy iray avy any Ambatofinandrahana.
Tsy vitan'ny nanaraotra ny fitokisan'ireo namany izy tamin'ny famarotana ireo vato sarobidy taty Antananarivo, fa mbola nahatrarana basy tsy ara-dalàna koa tany aminy.
Araka ny vaovao voaray avy amin'ny mpitandro filaminana dia mbola nampiasainy nandrahonana ireto mpiara-miasa aminy ihany ity basy mitondra ny marika MAB « calibre » 6,35 mm ity.
Tsy nahazoam-baovao
Ny zoma lasa teo no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny SUT (Sûreté urbaine Antananarivo) teo Andavamamba Isotry izy. Noho ny fitarainana napetrak' ireo namany izany.
Araka ny fantatra dia mitrandraka vato miaraka amin'olona maro any Ambatofinandrahana ity lehilahy ity.
Noho ny fifampitokisana amin'ny maha mpiara-miasa ela dia tapa-kevitra ireto farany nandefa azy hivarotra ny « béryl rose » izay milanja hatrany amin'ny 2,200 kg, fananana itambarana' izy ireo, taty an-drenivohitra. Niandry izay vaovao avy aminy ireto namany nefa dia niandry vasoka.
Nitombo ny ahiahy ka voatery izy ireo nitady azy. Nahatsiaro voarirarira anefa ireto farany satria valin-teny tsy mahafa-po hatrany no nasetrin' ity voalaza ho mpivadi-pitokisana. Nandritra izany fifampiresahana nifanaovan'izy ireo dia nampitahoriny sady nambanany basy ireto ankilany.
« Naveriko any Ikalamavony ny vato satria tsy misy mpividy fa ratsy karazana », hoy izy sady nanambana basy ireto namany. Hany herin'ireto dia nametraka ny fitarainana teny amin'ny manam-pahefana. Efa natolotr'ireo mpitandro ny filaminana ny Fitsarana ny raharaha.
Suzana Willys (Mpiofana)





Ivato seranana
Vehivavy valo niofanana amin'ny informatika
Vehivavy valo no nahazo fiofanana informatika maimaimpoana avy amin'dramatoa Rasoamiaramanana Voahangy, vadin'ny ben'ny tànanan'Ivato seranana,
ny asabotsy lasa teo. Nanamarika ny fankalazana ny andron'ny vehivavy izao hetsika izao.
Vehivavy iray isaky ny fokontany misy ao amin'ity kaominina ity no nofidiana hanaraka izao fiofanana izao. Ny enina ny kaominina no miantoka azy, ary ny roa kosa dia ny lehiben'ny distrikan'Ambohidratrimo no nandray an-tanana ny fiantohana azy.
« Vehivavy mandray andraikitra , tsy mijery ny tenany ihany fa mijery ny hafa ihany koa ». Io no teny faneva ho an'ity kaominina ity. Ny IEFP Aceem sy ny JCM ( Jeunes challenges Madagascar) no miara-niasa. Nivoitra tamin'ny kabary nisesy nataon'ireo vehivavy fa hery lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny andriambavilanitra.
Miainga amin'ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena izany. Natao izao fiofanana mandritra ny roa volana sy tapany izao mba hananan'ireto vehivavy ireto traikefa ary hampita an'izany amin'ireo namany eo anivon'ny fokontany misy azy tsirairay avy.
Suzana Willys (Mpiofana)




Besarety
Moto nodonin'ny 4x4
Tapaka nodonin'ny fiara 4x4 ny tànana sy ny ranjon'ity lehilahy iray nitondra moto teny Besarety ny asabotsy lasa teo. Potika tanteraka tsy misy azo raisina ilay moto. Naterin'ny fokonolona tany amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona kosa ity lehilahy naratra.
Araka ny filazan'ireo nanatri-maso dia nandeha mafy loatra ilay fiara 4x4. Nalalaka ny arabe fa tsy nisy ny fitohanan'ny fiara ka nirifatra nandositra ilay 4x4, tsy nijery akory izay niafaran'ilay mpitondra moto.




Ambatofinandrahana
Naiditra am-ponja ireo dimy lahy nahatrarana basy vita gasy
Nandritra ny fisavana nataon'ny zandary tamin'ireo olona ahiana fa mitahiry basy vita gasy any Fenoarivo Ambatofinandrahana tamin'iny herinandro iny, olona roa no nahatrarana basy vita gasy roa miaraka amina fahana bala roa 7,62 mm. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nisy olona telo hafa koa iray tsikombakomba amin'izy roalahy ireto.




Ampefiloha
Afo tsy fanta-pihaviana nandoro trano
Hain-trano no nitranga tetsy Ampefiloha omaly. Efa andeha hifindra mihitsy ireo mpanofa no nirehitra tampoka ny trano nisy azy ireo. Kojakojan-tokantrano maromaro no may .
Afo tsy fanta-piaviana no nandoro ireo kojakoja rehetra tao an-dakozian'ny tokantrano iray etsy Ampefiloha, omaly tolakandro. Lasibatry ny afo tamin'izany ny vata fampangatsiahana, fatana gaz.... toy izany koa solosaina roa, izay tao amin'ny efitra iray hafa. Nandeha nitaona entana ireo olona mpanofa fa andeha hifindra trano tamin'ny fotoana nisehoan'ny loza. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin'izao tranga izao.
Ny fidonaky ny setroka tety ivelany no nanaitra ny manodidina ka nahatonga azy ireo niantso ny mpamonjy voina avy hatrany. Naharitra minitra maro ny famonoana ny afo satria sarotra novohana ny varavarana. «Ilay vata fampangatsiahana no fototra nahatonga ny afo, nefa gaga ihany izahay, fa efa notsoahiko avokoa ny fil tamin'ny vata fampangatsihana sy ny solosaina satria efa teo am-pitaterana entana mihitsy izahay fa hifindra trano.
Hery hafahafa
Vao afak'omaly no nisy olona teto amin'ny manodidina nitantara ny laza ratsin'ity trano ity», hoy ny mpanofa iray nanazava ny zava-nitranga. «Tsy vao voalohany no nisy tranga toy izao amin'io trano io, ary tsy maharitra ela ny mpanofa trano monina ao», hoy ihany ny fanazavan'ny olona ao amin'ny fokontany misy azy ity.
« Tamin'ny volana novambra teo no nanofa trano tato izahay, ary raha nahare ny tantaran'ny trano dia tsy nitsahatra nivavaka tamin' Andriamanitra. Nifanohitra ny hery roa samihafa ka izao no vokany. Manaporofo izany ny tsy nitaran'ny afo tao amin'ny efitra fivavahana, fa nijanona tao an-dakozia ny afo», hoy ihany ny mpanofa ilay trano, naneho ny alahelony tamin'ny fahasimban'ny entana tao an-tokantranony. «Matetika isak'alina dia maheno feon'olona mikiakiaka mafy avy ao amin'io trano», hoy ny mponina manodidina .
Afo tsy fanta-pihaviana
Taona vitsivitsy lasa izay dia efa nirehitra ihany koa ny tao ambany rihana tamin'ity trano ity. Araka ny vaovao azo dia tsy misy hafa tamin'izao tranga nisy tao amin'ny rihana voalohany izao no nitranga tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny fil-na radio indray no niavian'ny afo, na dia voalaza fa efa notsoahina avokoa aza izany. Voalaza fa izany antony izany ihany koa no antony nialan'ny mpanofa trano teo aloha. Araka ny fantatra dia efa fanintelony niova mpanofa ity trano ity hatramin'izay nitsanganany teto Ampefiloha. Asa na fifandrifian-javatra na hery hafahafa araka ny voalaza tokoa no niseho tao aminy.
Suzana Willys





INSTN
Niampy fito ireo mpikirakira ny radio protection
Mpianatra fito mianadahy manaraka ny lalàm-piofanana radio protection na ny fiarovana amin'ny taratra nokleary no navoakan'ny INSTN ( Institution nationale des sciences et techniques nucléaires), omaly tetsy amin'ny Tranom-bokim-pirenena Malagasy, Anosy. Andiany fahafito izy ireto ary misalotra ny anarana «Fanilo ».
Naharitra roa taona ny fianaran'izy ireto ka nahazoany ny mari-pahaizana DTS ( Diplôme de technicien supérieur). Araka ny fantatra dia mbola vitsy ny mahafantatra ny fisian'ity lalàm- piofanana ity eto Madagasikara. Nefa maro ny orinasa matanjaka no mila azy. «Tena ilaina ny fiarovana amin'ny taratra nokleary, raha te-hampandroso ny sehatra nokleary. Saingy tsy ampy fitaovana isika » hoy ny tale jeneralin'ity sekoly ity, Pr Raoelina Andriambololona.
Ny Apave Madagascar no mpiahy ireto andiany ireto, izay miara-miasa akaiky amin'ny INSTN. Ny ankamaroan' ny mpianatra dia nianatra asa tao. Misy amin' izy ireo aza no efa mpiasa raikitra ao. Manaraka ny fandrosoana amin'ny filàn' ny firenena ankehitriny no tanjona ifotoran'ny fampianarana. Mana-pahaizana 70 eo ireo nandrato fianarana efa navoakan'ity sekoly ambony ity .
Suzana Willys




Kandreho
Takalon'aina roa sy omby lasan'ny dahalo
Nalain'ireto andian-jiolahy an-keriny niaraka tamin'ny omby 80 isa ny tompon'omby roalahy tany Bemakamba Kandreho ny alin'ny alarobia teo.
Anisan'ireo faritra lasibatry ny asan-dahalo raha iny faritr'i Betsiboka iny, ny tompon'omby no tena mitondra faisana amin'ny fanafihana ataon'izy ireo.
Andian-dahalo 14 no nanafifika tao Bemakamba, kaominina Ambalahia Kandreho ny alin'ny alarobia lasa teo. Noravan'izy ireo tamin'izany omby miisa 80 ary nalainy nataony takalon'aina ny tompon'omby roa.
Hery tsy mifandanja
Tokantrano roa samihafa tsy mifanalavitra no nataon'izy ireto mitondra faisana. Araka ny fantatra dia mizara sokajy roa izy ireto eo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Ny sasany mihiditra ao an-trano manao izay fomba tsy ahafan'ny tompon-trano miantso vonjy, etsy andaniny ny ankilany mandroaka ireo omby rehetra anaty vala ary ny sasany kosa dia mitily ny manodidina sao dia misy mahatsikaritra. Tsy afa-nanohitra ireto nalaina an-keriny noho ny fahatahorana sao afoy mbamin'ny aina, satria tanam-polo miady amim-basy. Araka ny loharanom-baovao dia sady mandrahona amin'ny basim-borona, sy ny lefona no sady mamono ireto mpamaky vala ireto. Tsy ny omby ihany anefa no norobainy tamin'ny fanafihana nataony fa ny fanaka lafo vidy rehetra tao an-tokantrano ihany koa.
Raikitra ny fanarahana dian'omby nataon'ny vatan-dehilahy rehetra tao amin'ity fokontan'i Bemakamba ity. Tany Antampoketsa no hitan'ireto mpanara-dia ireto roalahy izay nataon'ny dahalo takalon'aina. Nilaza tamin'ireto mpanara-dia izy roalahy fa tsy nahita ny nanjavon'ireto dahalo ireto miaraka amin'ny omby. Niala nenina nanohy ny diany ireto mpanaraka. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana momba izao raharaha izao ny zandary any an-toerana.
Suzana Willis





Atsimondrano
Fatin-dehilahy tanaty tanimbary
Naharitra telo andro tao anaty tanimbary ny fatin'ity rangahy lehibe iray tetsy Avarabohitra kaominina Andranonahoatra ny talata lasa teo. Araka ny vaovao azo dia mamo no antony nahatonga izao fahafatesana izao. Mamo tsy nahatsiaro tena izy ka nivarina tanaty tanimbary nisy rano, niara-nihosona tamin'ny fotaka tao ka sempotra noho izany.
Lavitra tànana ity tanimbary nivarinany ity ka tsy nisy nahatsikaritra ny fisiany tao. Ny olona sendra nandalo no nahita azy ka nampandre ny mana-pahefana tany an-toerana. Rehefa nanao ny fizahana ny vata mangatsiaka ny mpitsabo dia nanamarika fa tsy nahitana ratra na faritra mangana ny tenany.
Mbola hita teny aminy avokoa ny mombamomba azy rehetra. Tamin'izany no nahafantarana fa olona mipetraka eny Andoharanofotsy izy.
Suzana Willis




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpihira malagasy voaroiroy - Halatra vola Ar 93 tapitrisa. Vola Ar 93 tapitrisa no nangalaran' ilay mpihira sy ny anabaviny tamina vazaha iray volana vitsivitsy izay. Araka ny vaovao azo dia namporisihan'ity mpihira iray ity ny anabaviny hiaraka amin'io vazaha io.
Nihinana fanafodim-biby - Tsy nahazo akanjo ka namono tena. Tsy nividianana akanjo ity tovovavy ka nisotro fanafodim-biby. Efa nanomboka ny alatsinainy teo no nitazonana azy tetsy amin'ny hopitalin'ny HJRA. Lamasinina no mitazona ny ainy amin'izao fotoana.




67 Ha
Ady sigara lasa tsindrona antsy
Tsy fanomezana sigara hofohina no niantombohan'ny adin'ireto mpinamana. Tsy nahazaka ny iray ka niafara tamin'ny tsindrona antsy.
Tsy misy antony goavana no nanindronan'ity namany antsy ity tovolahy 19 taona tetsy Isotry, ny talata lasa teo, tokony ho tamin'ny fito ora alina. Toy ny fanaon'izy ireto matetika dia sigara iray no ifandimbiasana.
Tsy nety nizara kosa ny iray tamin'io fotoana io. Tezitra ilay namany ka nila ady taminy. Nifanenjika tany anaty elakelan-trano izy roalahy avy eo, nanaraotra io toerana takona io ny iray. Nidaroka sy nanindrona antsy ilay namany.
«Tsy nahita ny fizotr'izao loza mahatsiravina izao izahay fianakaviana, fa rehefa tonga tao an-trano izy dia efa nirediredy nanao veloma farany anay. Ela izy vao niteny fa notsatohan' ilay namany antsy ny kibony,» hoy ny zokiny vavy. Rehefa nalain'ny polisy am-bavany, hatao fanadihadiana, ity namany ny ampitso maraina, dia nandà mafy.
" Tsy fantatro izay nahazo azy fa namono tena izy. Noraisiny ny antsy teo ambony vilia dia natsatony tamin'ny kibony», hoy ity voampanga.
Tsy mahatsiaro tena
Tamin'ny nandalovana tetsy amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona omaly dia mbola tsy mahatsiaro tena ity naratra. Araka ny mpitsabo dia misy faritra mangana voadona mafy ambonin'ny kibony. Mety voadaroka mafy izy izay vao voatsatoka antsy.
Mpivarotra endin'akoho amin'ny faritr'Isotry sy 67 ha izy ireto. Raha nanontaniana ny fianakaviana dia nilaza fa mpinamana tsara izy roalahy ary tsy misy ny lonilony.
Asa sangy mihoatra ny loha no hamonoana olona. Omaly no natolotra ny Fampanoavana Anosy ny raharaha.
Suzana Willis





Ambohimangakely
Vita ny biraon'ny kaominina
Azo eritreretina ny fanatanterahana tetik'asa
fampandrosoana maromaro ato ho ato. Tsy ho lany vola amin'ny fanofana trano atao birao intsony ny kaominina manomboka ny volana jolay ho avy izao. Fanambaran'ny ben'ny tanàn' Ambohimangakely, dokotera Naina Andrianarison izany raha nizaha ny fizotry ny asa fanorenana ity trano vaovao ity ny tenany.
Mizotra araky ny niheverana azy ny fandehan'ny asa. «Tsy maintsy hotokananay amin'ny volana jona izao ity trano goavambe misy rihana iray sy manana efitra 22 ity», hoy ny ben'ny tanàna. Efapolo tapitrisa ariary no holaniana amin'ny fanorenana, izay famatsiam-bolan'ny kaominina madiodio.
Milaza ny dokotera Naina Andrianarison fa io zava-bita io no atolotra ho fanomezana noho ny fetin' ny Fahaleovantena ho an'ny vahoak'Ambohimangakely.
Fanamby
« Fanambin'ny ben'ny tanàna sy ny ekipany, izay voafidy tamin'ny lisitra Indépendant Ny antsika tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo ity hotokanana ity», hoy Andrianarivo Del Christo, izay isan'ny zandriny indrindra amin'ireo mpanolotsaina ny kaominina manerana ny Nosy.
« Santionan'ny ny asa efa vita io sy izay mbola hotanterahana », hoy ny ben'ny tanàna. Ho vita ato ho ato ny biraom-pokontany ao Soanierana.
Toy izany koa ny tohodrano ao Ambohitrombihavana. Natao simenitra manontolo ny tokotanin'ny tobim-pahasalamana CSBII. Namboarina ny lalankely ao Antanambao sy Ankadidambo. Ary nahazo dabam-pako ny ao Ankosirano.
Ary izay heverina ho laharam-pamehana dia tsy maintsy enjehina ny famitana azy, hoy Andrianarivo Del Christo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Sabotsy Namehana - Lehilahy matin'ny afo. May kila forehitry ny afo tao an-tranony ilay rangahy 75 taona tetsy Ambohinaorina, Sabotsy Namehana, tamin'ny fito ora hariva. Afo avy amin'ny labozia no niparitaka. May tsy misy azo raisina ny efitra nisy azy. Ny ilany nisy ilay zanany kosa dia avotry ny fokonolona. Tsy tsikaritry ny manodidina ny firehetan'ny afo fa ny fofona no nampivoaka azy ireo.
Port Bergé - Taolam-paty 2kg tratra. Tovolahy iray 27 taona no saron'ny zandary nitondra taolam-paty 2kg tany
Port Bergé ny talata teo. Nampiahiahy ny zandary tany an-toerana ny fihetsiny ka nisava izy ireo. Nahitàna taolan-dava efatra sy taolam-pohy efatra tany aminy. Milanja roa kilao izy ireo. Tamin'ny fanadihadian'ny zandary no fantatra fa taolam-paty avy tany Anahindrano ireo.
Ambato Boeny - Trano iray may. Tsy misy azo noraisina ilay trano may tany Manerinerina Ambato Boeny, tamin'ny talata teo, tokony ho tamin'ny enina hariva. Haingana ny fiparitaky ny afo avy tao an-dakozia ka nanano sarotra ny famonoana ny afo. Tsy voafehy nefa ny afo ka kila forehitra ilay trano. Tsy misy ny aina nafoy.




Ambodivona
Mpilalao rugby maty voatsatok'antsy
Fifandrangitana no niteraka vono olona tetsy Ambodivona, afak'omaly tolakandro. Tovolahy mpilalao rugby iray eny amin'iny faritr'i Manjakaray iny no maty tamin'izany.
Fifandrangitana niteraka vono olona. Izany no niseho tetsy Ambodivona , tao ambadiky ny tobin-dasantsy Total eny amin'iny faritra iny afak' omaly tamin'ny efatra ora tolakandro, ka nahafaty tovolahy iray, 21 taona. Samy mpilalao Rugby ao amin'ny ekipan'ny FTM2 eny amin'ny faritr'i Manjakaray iny izy roalahy.
Fantatra fa efa nisy fifamaliana teo amin'izy roalahy talohan'io. Ren'ilay voatsindron'antsy mantsy fa hoe hifindra any amin'ny ekipa hafa ity mpiray ekipa aminy izay namono azy ity.
Fifamaliana
Nolazainy teo imason' ireo mpilalao hafa izay iray ekipa amin'izy roalahy izany toe-javatra izany ka nahatezitra ity farany. Noesoriny ny akanjony ary natsipiny tany amin'ny tavan'ity nilaza izany.
Velona ny fifampikasihan-tanana. Ireo naman' izy ireo ihany no niezaka nanasaraka. Ary samy nandray ny lalany avy eo izy roalahy.
Namonjy ny toeram-piasany tetsy Ambodivona ity voatsindron'antsy. Mpanera piesy ao amin' ireo braokaontera etsy Ambodivona, ambadiky ny tobin-dasantsy iny mantsy no asany. Narahin'ilay namany avy ato aoriana izy. Nalainy ny antsy teny an-tanany ary naletrany tany amin'ny kibon'ity namany.
Vokatry ny havesatry ny ratra sy ny haverezan-drà be loatra dia nindaosin'ny fahafatesana izy ny alin'ny sabotsy ihany. Ity namono azy kosa dia tsy tratra raha tsy ny ampitson'io. Efa voatazona sy atao fanadihadiana mikasika ity vono olona ity moa izy amin'izao fotoana izao.





Ambohitrimanjaka
Nivarina tao Ikopa ilay tovolahy sy ny fiarany
Nokarohin'ireo mpamonjy voina nandritra ny roapolo minitra vao hita ilay fiara 305 nivarina tao an-dreniranon'Ikopa, afak'omaly alina. Tetsy Ambohitrimanjaka, manandrify iny fefiloha eny amin'ny Arts Malagasy iny no nisehoan'ity lozam-pifamoivoizana ity io afak' omaly alina io, tokony ho tamin'ny folo ora.
Tsy voafaritra mazava hatreto ny fomba nisehoan' ny loza. Ireo fianakaviany izay nikarakara ny razana tetsy amin'ny tranom-patin'ny HJRA ihany koa tsy dia afaka nanome fanazavana firy, noho ny hafenoan-drano be loatra.
Noazavain'ireo mpamonjy voina fa tamin'ny dimy ora sy efapolo minitra, omaly maraina, no nanomboka nikaroka ity fiara ity tao anaty rano izy ireo. Nofatorana ilay fiara ary norohizina hivoaka ny rano. Rehefa tafakatra an-tanety ity fiara ity vao voasikotra tao anatiny ny vatana mangatsiakan'ilay tovolahy 29 taona, izay namily izany.
Efa nivoaka ny tranom-paty omaly tolankandro moa ny razana.

Ramatoa nanodina zazalahy 15 taona
Ampanefena
Ramatoa nanodina zazalahy 15 taona
Nidoboka am-ponja avy hatrany ilay ramatoa 32 taona, izay voalaza fa nanodina ankizy lahy kely vao 15 taona monja, tany amin'ny tanàna iray ao amin'i Kaominina Ampanefana. Ny talata lasa teo no nandalo tao amin'ny Fampanoavana Antalaha ny raharaha. Mbola tao anatin'ny fianarany tanteraka ilay tovolahy no nifankatia tamin'ilay vehivavy izay efa zokiny an-taonany maro. Tsy nitazam-potsiny azy roa niaraka moa ny ray aman-drenin'ilay zaza fa nitory teny anivon'ny fitsarana, satria dia noheverin'izy ireo fa manodina ny sain-janany izay mbola tsy ampy taona ravehivavy. Maro ny trangan-javatra toy itony fa ny mateti-pitranga dia ny lehilahy no manodina ny ankizy vavy tsy ampy taona. Niavaka kely ilay tranga teto satria ny vavy indray no nanodina ny lahy. Ary dia samy enjehin'ny lalàna avokoa na lahy na vavy manodinkodina olona tsy ampy taona.



38midi-mg-000041-10036-12122008 Dahalo roa matin'ny zandary  Trano 30 nirehitra  Vazaha lany &quot;visa&quot; nosamborina
TSIROANOMANDIDY
Dahalo roa matin'ny zandary
Dahalo 2 no matin'ny zandary avy ao amin'ny  Brigade Mahasolo sy ny miaramilan'ny DAS (Détachement Autonoe de Sécurité) raha nanao fanarahan-dia ny omby very izy ireo. Miisa 50 ireto omby ireto izay very ny 9 desambra 2008 tao Fiadanana Belagera - Mahasolo, Distrika Tsiroanomandidy. Tsy nanaiky lembenana ireo dahalo, izay nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana tsotra, ka rehefa tonga tao amin'ny kizon'i Betanatanana dia raikitra ny fifandonana. Lavon'ny balan'ny zandary tamin'izany ny roa tamin'ireo dahalo. Tsy nisy naratra sy aina nafoy kosa ny avy amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona. Efa tafaverina eo am-pelatanan'ny tompony avokoa ireo omby 50.
ANTALAHA
Trano 30 nirehitra
Trano miisa telopolo tao Ambohitralalana Antalaha no nirehitra ny 10 desambra  lasa teo. Tsy nisy ny aina nafoy ary tsy mbola fantatra mazava ny antony niavian'ny afo. Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Antalaha mba hanao ny fanadihadiana.
NOSY BE
Vazaha lany visa nosamborina
Vazaha iray no tratran'ny mpitandro ny filaminana lany visa de séjour nandritra ny savahao nataon'izy ireo ny 10 desambra lasa teo. Nohamafisina moa ity savahao ity taorian'ny baiko hentitra avy amin'ny tomponandraikitry ny filaminana hanarahana maso akaiky ny fivezivezen'ny vazaha ao Nosy Be. Hatao famotorana ity vahiny ity mialoha ny hitondrana azy eo anatrehan'ny fampanoavana.



38midi-mg-000042-10037-12122008 Ramatoa iray voarohirohy teny amin'ny fitsarana  Namono tena
Mpisoloky
Ramatoa iray voarohirohy teny amin'ny fitsarana
Ramatoa tokony ho 40 taona eo no natolotra ny fampanoavana omaly noho ny fisolokiana nataony tamin'olona maro. Nilaza ho mpiasan'ny fitsarana ity ramatoa ity ary nilaza ihany koa ho mahita asa ao amin'ny fitsarana. Olona dimy no efa voafitany tamin'izao izy tratra izao. Vehivavy iray niandry fiara andehanana tetsy Ampefiloha no nilazany fa mpiasan'ny fitsarana izy ary mitady mpiasa maro ny fitsarana. Faly noho ny vaovao nambaran'ity ramatoa ity ilay vehivavy izay tena eo am-pitadiavana asa ary nilaza fa mbola mahita olona hafa hameno ny toerana. Nilazan'ilay ramatoa àry izy hanome vola telo alina Ariary azy mialoha ny hikarakarana ny dosieny ary nampanantena fa hampiditra ireo olona izay mbola hoentin'ity vehivavy ity. Ny ampitson'iny no fotoana nifanaovana tamin'ireo olona hafa ireo sy ny fikarakarana ny dosie rehetra. Olona efatra no nentin'ity vehivavy ity ny ampitson'iny. Samy nangalan'ity ramatoa ity vola sy dosie avokoa ireo olona rehetra ireo. Ny herinandron'io indray no fotoana nifanomezana eo amin'ny fitsarana fa hanombohan'ny asa. Tsy tonga tamin'ny fotoana nifanomezana nefa ilay ramatoa ka teo vao nahalala izy dimy mianadahy fa mpisoloky ity ramatoa ity fa tsy mpiasan'ny fitsarana velively. Tamin'ny ora tsy nampoizin'ilay ramatoa mpisoloky io anefa no nifanenany tamin'ny iray tamin'ireo olona voasolokiny. Taitra arak'izany ity ramatoa ity ka nilaza fa efa laniny avokoa ny vola ary tsy misy akory ilay asa nolazainy saingy vonona izy handoa ny vola lasany. Tsy nanaiky ny fifandaminana intsony anefa ilay rangahy ka avy hatrany dia nitondra azy tany amin'ny manam-pahefana. Voalaza moa fa tsy vao izao no nahatratrarana ity ramatoa ity nisoloky tahaka izao. 
Namono tena
Ny alin'ny 09 Desambra teo dia jiolahy telo lahy no niditra an-tsokosoko tao amin'ny toerana fanamboarana saribao iray nikasa ny hangalatra. Mailo nefa ireo mpiambina ka avy hatrany dia niantso fokon'olona. Tratra tamin'ny fifanjevona àry ny iray tamin'ireo jiolahy ka nentina tany amin'ny manam_pahefana. Teny an-dalana raha vao nahita irika ilay bjiolahy dia avy hatrany dia nivarinatany amin'ny reniranon'ny Sisaony. Tsy maty nefa izy fa mbola namonjy azy ihany ny fokon'olona.



38midi-mg-000043-10038-12122008 Nokapain'ny jiolahy ny lohan'ilay raim-pianakaviana
ANJOZOROBE. Nofatoran'ireo jiolahy tsirairay avy izy mianaka ary nosarahany efitrano.
Nokapain'ny jiolahy ny lohan'ilay raim-pianakaviana
Ny alatsinainy 29 novambra teo tamin'ny 6 ora hariva dia jiolahy 5 mitondra basy vita gasy roa no nanafika tokantrano iray tao Amboasary Anjozorobe. Izy mianaka ihany no tao an-trano tamin'io. Nisy olona nandondom-baravarana anefa ka rehefa nilaza ireo fa vahiny tsy mahita toeran-katoriana dia nampandrosoana avy hatrany. Dimy lahy izy ireo no niaraka ka niditra ny roa lahy fa ny telo kosa nihaodihaody teny an-tokontany. Tsy nisy nanam-po ny maha olon-dratsy azy ireto izy mianaka, saingy raha iny andeha hivoaka any an-tokontany iny ilay zanaka lahy dia notreromin'ny iray tamin'ireo jiolahy no sady natosiny tamin'ny tany. Teo vao variana izy mianaka no sady natahotra. Nofatoran'ireo jiolahy tsirairay avy izy mianaka ary nosarahany efitrano. Nony variana ireo jiolahy dia niezaka ny hihazo ny lavarangana ilay raim-pianakaviana ary niantso vonjy tamin'ny olona manodidina. Taitra noho izany ireo jiolahy ka nitifitra an'ity raim-pianakaviana ity. Nobatainy ary nalefan'izy ireo tany an-dakozia. Ilay zanany kosa nohidiny tany amin'ny efitra hafa hahazoan'izy ireo misava ny trano. Rehefa tsy nahita vola izy ireo dia nanontany ity raim-pianakaviana. Nilaza anefa rangahy fa tsy misy vola ao an-trano ka nokapain'ireo jiolahy tamin'ny antsy ny lohany. Tsy vitan'izay fa novelezin'izy ireo tamin'ny antsy ihany koa ny lamosin'ilay zanany. Taitra noho izany ny mpifanolo-bodirindrina ka nirifatra nandositra ireo jiolahy. Ny alatsinainy teo no voasambotry ny manam-pahefana tao amin'ny tanàna izy dimy lahy ireo rehefa avy nokarohina nandritra ny andro vitsivitsy. Omaly maraina no natolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Lire aussi - Ampanefena : Ramatoa nanodina zazalahy 15 taona - Fonds d'Insertion des Jeunes : Le plus promoteur à Burundi - Tsiroanomandidy : Dahalo roa matin'ny zandary - Mpisoloky : Ramatoa iray voarohirohy teny amin'ny fitsarana 


41midi-mg-000048-10044-13122008 Mpiasan'ny C.U.A 30 voarohirohy
Halatra ordinateur
Mpiasan'ny C.U.A 30 voarohirohy
Nahaverezana ordinateur miisa folo miaraka amin'ny fitaovana madinika miaraka aminy tao amin'ny biraon'ny Commune Urbaine Antananarivo (C.U.A) teny Anosipatrana ny 21 décembre 2007 lasa teo. Fotoana fohy taorian'ny nahalany ny Ben'ny tanàna vaovao. Mpiasa 30 no voarohirohy tamin'izany ary natolotra ny Fampanoavana, omaly. Ny efatra amin'izy ireo no tena ahiahiana ho tompon'antoka tamin'izao raharaha izao, fa ny sisa kosa ilain'ny Fitsarana amin'ny famotorana satria samy tafiditra amin'ity raharaha ity. Ny bon de livraison dia voasonian'ny magasinier ara-dalàna, milaza fa voaray soa aman-tsara ny entana, saingy nilaza ity farany fa tsy nahita maso ireo ordinateur folo ireo. Mbola tsy voafaritra mazava izany na tena novidiana marina ireo fitaovana ireo na faktiora hosoka no natao ka niraisana tsikombakomba tamin'ny mpivarotra nividianana azy dia nifampizarana avy eo ny vola. Naharitra ora maro ny fakana am-bavany nataon'ny mpitsara ary mbola niakatra tany amin'ny ambaratonga ambony izany. Mbola mitohy ihany koa etsy andaniny ny fikarohana ataon'ny polisy sao dia ampiasain'olona any ambadika any ihany ireto fitaovana very teny Anosipatrana ireto.



41midi-mg-000049-10045-13122008 Fizahan-tany mamoafady, vazaha iray any am-ponja
Nosy be
Fizahan-tany mamoafady, vazaha iray any am-ponja
Teratany vahiny hafa indray no voarohirohy ho nanao tourisme sexuel na fizahan-tany mamoafady. Toy izao ny fomba fanaony, manofa hotely ary misolosolo vehivavy isaky ny mandeha. Efa maro ireo vehivavy malagasy no niaraka taminy. Nizotra tsara ny fandehan-javatra hatreo. Tamin'ity indray mandeha ity anefa dia notorian'ny vehivavy niaraka taminy izy satria tsy nanefa ny vola izay nifanarahana. Rehefa nentina teny amin'ny fitsarana ny raharaha, ny 11 desambra 2008, dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay vazaha.




Tapatapany
 - Fasan'ny Karana. Sofera maty main'ny  courant . Nikasoka tamin'ny tariby mitondra herin'aratra ny antenne-n'ny fiara notaingenany raha varian-dresaka tamin'ny namany ity mpamily ity. Nosintonin'ny herin'aratra izy ary izao namoy ny ainy izao na dia noezahina novonjena aza.
 - Pety Rakotoniaina. Nandalo teny amin'ny Fitsarana. Tsy mbola ny raharaham-pitsarana mahakasika azy akory no nandalovany teny fa nangataka fahazoan-dalana hitsabo tena eny amin'ny hopitaly.
 - Fanafihana mitam-piadiana. Notsaraina omaly ny raharaha mahakasika ilay fanafihana mitam-piadiana ary nahafatesana olona teny Ambohidrapeto tamin'ny 26 novambra 2005. Nahemotra ho amin'ny alatsinainy izao, noho ny fiampian'ny antontan-taratasy sy ny olona voarohirohy.



42midi-mg-000052-10048-13122008 Fitaovam-pandidiana very
Halatra anaty fiara
Fitaovam-pandidiana very
Novakian'ny mpangalatra ny fitaratra aloha an'ny fiara iray eo amin'ny ankavanana, rehefa izany, lasan'izy ireo ny auto radio. Nalaina koa ny kitapo iray tao aoriana nisy fitaovan'ny dokotera momba ny fandidiana loha. Teny Ambohimanandray Ambohimanarina no niseho ny halatra. Sahiran-tsaina tokoa ny tompony satria tsy afaka manao ny asany. Koa miangavy izay mahita ireo fitoavana ireo izy mba hiantso azy amin'ny telefonina 0 33 11 364; 032 43 318 00 ; 034 08 452 32, na hanatitra izany ao amin'ny Service Neurologie (toerana fandidiana loha) ao amin'ny HJRA Ampefiloha. Fitaovana famonjena ain'olona io very io.


42midi-mg-000053-10049-13122008 NULL
 FJKM Andrambato Fehizoro. Hotontosaina rahampitso alahady faha-14 desambra ny fetin'ny taranaka aty antanindrazana. Maro ny hetsika hotanterahina amin'izany koa manasa antsika rehetra aty ampielezana ho tonga maro. Ny adidy tsy an'olon-dratsy. Aza mba manadino ny tandrazanao.


89midi-mg-000102-10096-15122008 Notifirina dia notapahana ny lohany
Ilakaka
Notifirina dia notapahana ny lohany
Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny lehilahy iray mpividy safira. Tany amin'ny tanàna atao hoe Vohimena Mahafaly any amin'ny kaominina Ilakakabe no niseho ity famonoana ity tamin'ny alakamisy lasa teo. Efa hariva ihany ny andro tamin'izay, efa maizina mihitsy. Nisy nanome fotoana ity mpividy safira ity sy ireo olona manana entana ho azy. Tsy nisalasala izy tamin'izany fa namonjy ny toerana notondroin'ireo niantso azy. Rehefa tonga teo amin'ilay toerana anefa izy dia nanontany ireo olona nifamotoana taminy raha manana basy izy. Navaliny an'ireo tokoa fa manana izy. Vao nahare izany ireo olona ireo dia notapahiny tamin'ny zava-maranitra ny tanan-drangahy. Notifiriny ihany koa ka voa teo amin'ny lamosiny. Tsy nijanona teo fa mbola notapahan-dry zalahy ihany koa ny lohany. Ilay basy tany aminy koa tsy hita.
Rehefa izany dia notadiavin'ireo olon-dratsy ny vadin'ilay rangahy ary noratrainy teo amin'ny lohany sy ny orony. Nalainy ny vola maherin'ny 2 tapitrisa Ariary. Nisy vehivavy iray hafa koa mbola noratrainy.
Tsy vao izao no nisy famonoana olona mahatsiravina tany amin'ity tanàna ity. Fanintelony io nitranga tamin'ny herinandro io. Ny iray voalohany, notifirina tamin'ny basy. Ny faharoa novonoina ary navarina tany anaty rano ny fatiny. Mandry tsy lavo loha ny mponina amin'ny afitsoky ny be sandry. Raha ny fandehan'ny famonoana mantsy dia toa miendrika valy faty ihany raha ny fahitana azy.



89midi-mg-000103-10097-15122008 Nentiny nisitrika niaraka taminy tao anaty ranon'i Masay ny zanany roa
Famonoan-tena. Sarotra tokoa ny fiainana ka lasa manao ny tsy tokony hatao ny olona. Misy mihitsy aza ny sahy mahafoy ny androny miaraka amin'ny zanany.
Nentiny nisitrika niaraka taminy tao anaty ranon'i Masay ny zanany roa
Tamin'ny sabotsy maraina tokony ho tamin'ny 10 ora, ireny nisy olona telo mianaka, renim-pianakaviana sy zaza roa, nisitrika tao anaty ranon'i Masay. Raha ny fijery azy, tena tapa-kevitra ny hamono tena ilay vehivavy miaraka amin'ireo menaky ny ainy ireo. Ankizy tena mbola kely tokoa, lahy sy vavy. 2 taona sy tapany ilay lahy kely, 1 taona kosa ilay vavy kely zandriny. Izany hoe, tsy manam-pidiny fa izay nitondran-dreniny azy dia izay no izy. Vokatr'izany, maty tao anaty rano tao ilay lahy kely. Ilay vavy kosa mbola afaka notsaboina teny amin'ny hopitaly niaraka tamin'ny reniny. Omaly moa dia efa nomena ny havany izy. Ilay reniny kosa mbola voatazona any amin'ny mpitandro ny filaminana.
Adin'ny mpivady. Ny vaovao no nahalalana fa nifamaly tamin'ny rain-janany ity vehivavy vao 20 taona ity. Izay anton'ny fifamalina tsy fantatra mazava, fa ny azo antoka dia mikasika ny fiainana amin'ny ankapobeny. Rehefa avy niady tamin'ilay rangahy ity vehivavy ity dia ny zavatra hitany fa mety dia ny mamono tena miaraka amin'ireo zanany ireo. Soa ihany anefa fa nisy nahita izy telo mianaka tamin'ny fotoana nidinany tao anaty rano maloto tao. Vao nirotsaka tao indrindra no nampandre haingana ny mpitandro filaminana ireo olona nahatazana izany. Vetivety ihany moa dia tonga teny an-toerana ireto farany ka nahavotra ilay reniny sy ilay zanany vavy. Izao tokoa no tonga amin'ilay fitenenana hoe izy mivady no tsy mifanaraka ka ny ankizy no mahita ny fangirifiriana.
Famotorana. Amin'izao fotoana izao dia samy fotoran'ny polisy ireo ray aman-dreny ireo. Ilay vehivavy dia ny fikasana hamono ny zanany no itazonana azy. Ilay rangahy kosa fotorana satria tsy mandray andraikitra fa mamela irery ny fiahiana ireo ankizy amin-dramatoa.

Lire aussi - Gendarme mort en cours de mission - Ilakaka : Notifirina dia notapahana ny lohany 


Notetehan-drangahy tamin'ny antsy ny vadiny
Sambava
Notetehan-drangahy tamin'ny antsy ny vadiny
Maty irery tao an-tranony ilay ramatoa iray tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Andratamarina, Kaominina ambanivohitra Bevonotra, tany Sambava, ny faramparan'ny herinandro lasa teo iny. Mahatsiravina ary tamin'ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana azy, satria dia nofiraina tamin'ny antsy avokoa ny tenany, izany hoe notetitetehana mihitsy. Tamin'ny  fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny vadiny ihany no nahavita ilay heloka bevava, satria dia tsy hita tany an-toerana intsony izy rehefa maty ilay vadiny. Ny marainan'ny asabotsy faha-13 desambra lasa teo ary no nahatsikaritra olona iray, toa kaodikaody tamin'ny trano fandriam-bahiny iray tao an-tampon-tanànan'i Sambava ny filoham-pokontany iray teo aloha, araka ny nambarany dia nitondra basy vita gasy efa voafahana ilay rangahy hitany io. Natao ny fisamborana ity farany, ary natolotra ny manam-pahefana tany an-toerana mba hatao famotorana hahitana ny marina mikasika ilay vonoan'olona mahatsiravina. Mateti-pitranga moa tato ho ato ny fanaovana herisetra tamin'ny vehivavy, ary saika manerana ny toerana maro mihitsy no itrangan'izany. Etsy andanin'izany dia tsy mitazam-potsiny ny Fanjakana fa manao ezaka hamongorana ireo olon-dratsy.



Tanora 4 novonoina tamin'ny fomba feno habibiana
Tanora 4 novonoina tamin'ny fomba feno habibiana
  Tena tamin'ny fomba feno habibiana tokoa no namonoan'ny andian'olona ireto tanora efatra mianadahy vao herotrerony, tany amin'ny tanàna atao hoe Ambohitsara, eo anelanelan'i   Mananjary sy Nosy Varika. Nisy nanondro ho mpangala-jaza izy ireo. Tamin'ny sabotsy teo no niseho ity habibiana ity. Maty votsindrona antsy, voafira famaky, voatoto fanoto ary tsy mba nisy nialana nenina akory na dia ny iray aza, fa teo no ho eo ihany no nahataperan'ny ainy. Teo ambony kianja filalaovana baolina no niseho izany. Namonjy ny Herinandro masina famaranana ny Sambatra tany amin'io tanàna io ny tanora telo mianadahy avy any Mananjary. Maro tokoa ny vahiny tonga tamin'io lanonana io. Tamin'ny sabotsy anefa, nitaintaina ny renim-pianakaviana iray fa tsy hitany izay nalehan'ny zanany mianadahy. Etsy andanin'izany, mahoraka be ny resaka any an-toerana amin'ity resaka hala-jaza ity. Rehefa nitady ela anefa ramatoa dia indreny ny zanany nody ihany. Hay avy nilomano izy ireo. Natahotra ny ho bedy, hono, izy ireo ka nilaza tamin'ny reniny fa saika nisy nangalatra. Rehefa nanontaniana dia nanao hoe olona avy any Mananjary ary anaty lakana, ary dia teo no niantombohan'ny habibiana. Mpanamory lakana no voatondro voalohany. Ireny lehilahy maro nirongo antsy, famaky, kanoto sy zavatra hafa nanatona teny. Tsy nisy fifanazavana fa tonga dia vono no nihatra taminy. Maty teo no ho eo. Olona hafa no efa saika voa fa afaka nandositra. Tsy nijanona teo ny raharaha fa nandeha ireto andian'olona. Tovolahy iray no hitany sy nanontaniana raha avy any Mananjary. Tsy nahalala na inona na inona io dia namaly hoe : eny. Tonga koa dia votsindrona antsy teo amin'ny handriny sy voavely fanoto. Maty tsy tra-drano. Raha nahita izany ny namany iray dia nanontany ny antony. Tonga koa dia voafira famaky. Maty ihany koa. Nisy ankizivavy iray nitomany teo ambonin'ny fatin'izy roa lahy. Nisy nanindrona antsy teo amin'ny tandany. Maty. Tsy vitan'izany fa naboridana ary nositrihana hazo ny fivaviany. Mafana ny raharaha amin'izao fotoana izao ary ahiana ny hisian'ny fifanafihana tanàna samy tanàna.
HAR


Olona iray maty nihinana hen'omby misy aretina
Fianarantsoa
Olona iray maty nihinana hen'omby misy aretina
Fantatra izao fa olona iray no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana hen'omby misy aretina. Misy aretin'omby mandripaka ireo omby vavy be ronono any Antady any Fianarantsoa. Tamin'ny faramparan'ny volana novambra teo no fantatra izany. Nalefa notiliana ireo omby dia fantatra fa izany aretina Fièvre de la Vallée de Risto izany no mahazo azy ireo. Hatramin'izao, omby 13 no efa maty ary misy 21 hafa marary.
Araka izany dia toa tsy azo ohanina ny henan'ireny biby matin'ny aretina ireny. Tsy vao izao no nisy olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana ny henan'ireny omby misy aretina ireny. Tany amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny nosy dia efa nisy tranga sahala amin'izao. Narary ny omby. Any ambanivohitra any moa rehefa misy trangan-javatra toy izany dia misy ilay ataon'ny olona hoe atao tra-drasa. Izany hoe, tsy avela ho maty tanteraka fa raha vao misy soritra ahafantarana fa tsy ho velona intsony dia vonoina ary tetehina zaraina amin'ny mpiara-monina. Tsy omena amin'izao fa misy vidiny. Rehefa vozara ary ny hena dia samy nanana ny fomba nikarakarany azy ny tsirairay. Ao ireo nahandro izany ara-dalàna. Ao ireo nitono. Tamin'izay fotoana izay dia nisy olona namoy ny ainy tamin'ireo nitono. Taty akaikin'ny renivohitra, nisy ihany koa ny olona efa namoy ny ainy nihinana henan'omby matin'ny aretina.



midi-mg-000136-10131-16122008 NULL
Halatra tao amina orinasa iray
Tamin'ny faha-14 desambra teo dia tratran'ny zandary ny olona efatra nangalatra tao amina orinasa iray tany Brickaville. Tokony ho tamin'ny 2 ora maraina no nahasaronana ny halatra. Fiara iray no nitondran'ireo mpangalatra seza faran'izay vita tsara tokoa miisa 18. Nosamborina izy ireo. Nosavaina ny manodidina ilay orinasa ka mbola nisy seza hafa miisa 39 hita, tafo 50 ary bidons maromaro.
Fantatra ihany koa fa notrohan'ireto mpangalatra ireto tsikelikely ny lasantsy tany an-toerana.
Mpiasa tao amin'ny orinasa nahatsikaritra ny halatra no nampandre ny tompony.



118midi-mg-000138-10133-16122008 Vazaha novelezin'ny mpanendaka teo amin'ny lohany
ANDAVAMAMBA. Tsy mandingana andro mihitsy no andrenesana endaka, halatra, vaky trano asan-jiolahy eto an-drenivohitra.
Vazaha novelezin'ny mpanendaka teo amin'ny lohany
Novelezina tavoahangy ny lohan'ilay vazaha ka vaky. Rehefa lavo tamin'ny tany izy dia nalain'ireo mpanendaka ny telefaonina tany aminy sy ny vola tao am-paosiny. Nilaza moa ity voaendaka fa vola 200 000 Ariary no nentiny nivoaka, efa nisy ampahany nampiasainy anefa ka tsy fantany intsony izay ambiny lasan'ireo jiaolahy.
Teny Andavamamba no niseho ity fanendahana ity tamin'ny sabotsy lasa teo. Nanao ny fisafoana mahazatra azy ny polisy avy ao amin'ny Service anti-gang. Voatety avokoa ireo toerana voalaza fa mafampana. Tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, nahatazana olona efatra nampiahiahy izy ireo. Nasaina nijanona ireo nefa lasa nandositra ny roa. Ireo roa tavela moa rehefa nosavaina dia nahitana pince coupante lehibe iray. Izany R.G.L na antsoina hoe Dadah be izany ny iray, 33 taona ary monina eny Andranomanalina. Ny faharoa dia R. E.A, 29 taona monina eny Ankazomanga.
Tamin'ny fotoana nisamborana azy ireo no nisy olona nilaza fa avy nanendaka vazaha teny Andavamamba ry zalahy ireo.
Nantsoina ilay vazaha ary nasaina namantatra ny olona nively azy tamin'ny tavoahangy. Nilaza tsy nihambahamba io farany io fa ilay antsoina hoe Dadah Be no namely azy. Nahitana vola 80 000 Ariary tany amin'ity bandy ity. Nilaza anefa izy fa azy ireo vola ireo fa tsy an'olon-kafa.
Mirongatra ny asa fanendahana amin'izao fotoana izao. Tsy ny fanendahana ihany anefa fa eo ihany koa ny vaky trano sy ny harom-paosy. Raha mandeha eny an-tsena eny ianao dia mahamarika tsara fa manao andiany ireo mpangarom-paosy ireny ary tsy matahotra kely akory maka ny vola any anaty paosy na anaty poaketra. Raiki-tahotra ireo mpiantsena amin'izany. Tsy latsak'izany koa anefa ny any anaty fiara fitaterana. Indraindray olona tsy ampoizina no manao izany. Misy vehivavy, misy lehilahy, miakanjo mihaja be izy ireny.

Lire aussi - Trafic de drogue : Vingt Malgaches en prison à Maurice - Sambava : Notetehan-drangahy tamin'ny antsy ny vadiny - Fianarantsoa : Olona iray maty nihinana hen'omby misy aretina - Halatra tao amina orinasa iray - Incendie : 355 cases détruites par le feu 


118midi-mg-000139-10134-16122008 Zaza 12 sy 15 taona namaky trano  Lehilahy notafihana jiolahy telo
Ambohimangakely
Zaza 12 sy 15 taona namaky trano
Tao Ikianja Ambohimangakely ny sabotsy teo dia ankizy lahy kely 12 taona sy ny namany 15 taona no tratra ambodiomby namaky tranona fianakaviana iray. Tokony ho tamin'ny 03 ora tolakandro teo, raha hitan'izy mirahalahy ireto fa andeha hivoaka ny tompon-trano dia nitady hevitra izy ireo hidirana tao amin'ilay trano. Ny varavarankely izay hitan-dry zareo fa efa boboka no nosimbainy ka nahafahany niditra. Nony tafiditra tao izy ireo dia ny vata misy vola sy ireo entana maro samihafa no nangonin'izy ireo ka nataony teo afovoan-trano. Ny tsy fantan'izy roa lahy kely ireto dia hay hitan'ireo mpanao trano tsy dia lavitra teo ny nidiran'izy roa lahy ireto tao amin'ity trano ity ka noraisim-potsiny izy ireo raha vao nivoaka niaraka tamin'ireo entana. Omaly maraina moa no natolotra ny fampanoavana izy roa lahy ireto.
La haute
Lehilahy notafihana jiolahy telo
Lehilahy iray mpanao an'itony fanatanjahantena mahery vaika itony no notafihana bandy telo lahy raha handeha hamonjy fodiana teny La Haute, ny sabotsy alina lasa teo. Araka ny filazan'ilay lehilahy, dia efa hatreny amin'iny lalan'Ambohijatovo iny ny lehilahy no nahatsikaritra fa misy bandy anankiroa manaraka azy. Kanjo nony nandalo elankelan-trano taty ambonimbony dia hay efa nisy naman'izy roa lahy ireto anankiray niandry tao ka raikitra teo ny tamba-be hamonoana ity lehilahy ity. Nampiasa antsy lava lela moa izy telo lahy ireto. Rehefa raikitra teo ny ady dia rifatra nandositra izy telo lahy satria na dia ny antsy lava lela nampiasaina aza dia niforitra noho ny tanjak'ity lehilahy mpanao fanatanjahantena mahery vaika ity. Na dia izany aza nefa dia tsy nisy tratra tamin'izy telo lahy nanafika ireto.
Nangonin'i Delphine (stagiaire) 


119 midi-mg-000141-10138-17122008 NULL
 
 
Nécrologie (17/12/08) 

119midi-mg-000142-1014-19012008 Nitifitra polisy, izy indray no maty
TITAKELY. Nikononkonona fanafihana izy sy ny namany no tonga teny an-toerana ny polisy. Raikitra ny fifampitifirana, nisy ny nandositra, nisy ny maty.
Nitifitra polisy, izy indray no maty
Maty voatifitry ny polisy avy ao amin'ny GIR (Groupe d'Intervention Rapide) tetsy Ambanidia, akaikin'ny EPP, ny sabotsy anntoandro teo i Titakely, jiolahy raindahiny efa nokarohina hatry ny ela. Naharay antso ny avy ao amin'ny polisy fa mihaodihaody etsy Ambanidia i Titakely sy ny namany. Tonga teny an-toerana ny polisy ary io tokoa ry zareo. Vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa ireo jiolahy dia nirifatra nandositra, fa i Tita kosa namaly tifitra. Voatery niaro tena ny polisy ka nitifitra azy. Lavo tamin'izainy i Tita rehefa voan'ny bala maromaro. Nahitana basy vitagasy, chargeur, bala roa ary sabatra teny aminy tamin'ny fotoana nahazoana azy.
Nitifitra polisy
Efa ela no nikarohan'ny polisy an'i Titakely. Isan'ny jiolahy raindahiny nampihorohoro iny faritr'Ambanidia sy ny manodidina iny izy. Naman'i Mitsingy, ilay jiolahy matin'ny polisy teny Volosarika, Ambanidia tamin'ny herintaona iny izy. Fifampitifirana izay naharatrana mpandalo iray, raha tsiahivina fohy. Tarik'i Herizo sy Pitana ihany koa izy, jiolahy izay mbola karohina hatramin'izao. Efa nigadra izy, efa nitifitra polisy ary efa voatifitra teo amin'ny tanany havanana saingy mbola afaka nitsoaka hatrany. Tato ho ato dia nisy ny hetsika nataon'ny mpitandro filaminana manoloana ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra ka dia izao niafara tamin'ny fahazoana an'i Titakely izao.
Iza no manaraka?
Manoloana izao toe-draharaha izao dia samy manontany tena ny rehetra hoe: iza indray no manaraka? Ho polisy sa ho jiolahy indray no ho voatifitra manaraka eo? Raha ny zava-niseho tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo mantsy no dinihina, dia toa mifanao valivaty ny jiolahy sy ny polisy. Nahafaty jiolahy roa sy nahazo basy roa ny polisy ny alatsinainy, ny ampitso ihany dia namaly faty ny jiolahy ka nanafika ny biraon'ny polisy tetsy Antsalovana. Polisy roa no maty ary basy roa koa no lasa. Manoloana izao fahafatesan'i Titakely izao indray àry, ahiana ny mety hisian'ny valifaty hataon'ny jiolahy, ka mampametra-panontaniana hoe: an'iza indray ny manaraka?
Aina R.
 
 
Tanora 4 novonoina tamin'ny fomba feno habibiana
Accident : Un excès de vitesse qui finit mal


131midi-mg-000155-10153-17122008 Saika hanorin-tokantrano voan'ny ambalavelona
Sambava
Saika hanorin-tokantrano voan'ny ambalavelona
Lasa adala tampoka, ary toy ny entin-javatra ilay tovovavy, izay vao 19 taona monja, no sady nanjary natanjaka be ho azy teo. Amin'ny asabotsy ho avy io moa izy, no hanaovana orim-bato, na hoe hisy hampaka-bady, tsy fantatra moa hatreto na misy ifandraisany amin'ilay raharaha hatao na ahoana ity aretina, izay azo heverina fa mety hiteraka hasamponana, na sakana mety tsy hahavita ny fampakaran'olona azy ho tokantrano ity. Tamin'ny fanadihadiana nataonay no nahalalana fa nanasa lamba tamin'ny renirano iray tany an-toerana izy, ny alatsinainy faha-15 desambra vao maraim-be, tsy dia maro loatra moa ireo zavatra nodioviny tany, ka tsy ela izy dia niverina. Nilaza fa nafana moa rakalakely ka nitera-tsemboka be ho azy teo izy; taorian'io no nihetsika ny zavatra ratsy nahazo azy. Nikiakiaka eran'ny tanàna izy, notazomina tsy voatazona, vatan-dehilahy 5 be izao tsy nahita mangirana taminy. Maro ny resaka mandeha fa hoe, fampidiran'olona ambalavelona no nahatonga ilay tranga. Hatramin'ny fotoana anoroatanay izao moa dia vao mainka mihamafy ilay aretina, ary efa in-droa izy no saika hitsoraka any an'aty rano. Any amin'ny tanàna iray antsoina hoe, Ambodimanga, Kaominina Antsahavaribe, any Sambava, moa no mipetraka ilay niharan-doza.



131midi-mg-000156-10154-17122008 Tapatapany
Tapatapany
 - MANAKARA. Olona roa maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana. Loza niseho ny alahady tamin'ny lalana mampitohy an'i Manakara sy Vohipeno ny alahady teo. Mpitaingina môtô roa lahy no nifanena tampoka tamina môtô sy fiarakodia tao anaty fiolahana. Vokatry ny fifandonana dia maty ilay nitondra môtô, izay saika hijery ny fampisehoan'i Lola tany Vohipeno. Potika tanteraka ny lohany ary naratra mafy kosa ilay namany. Ankoatra izay, nisy zaza 8 taona ihany koa maty nodonin'ny fiara tamin'io alahady io tao Vohipeno.
 - MAHASOLO. Dahalo roa matin'ny zandary. Tohin'ilay halatra omby miisa 50 niseho tao Belagera, kaominina Mahasolo, ny 09 desambra  teo, dia nisy ny fifandonana teo amin'ireo dahalo sy ny mpanaradia ny 11 desambra teo tao Ampandrana atsimo - Bemahatazana. Vokany dia dahalo roa no maty, fokonolona iray naratra, ny omby 48 kosa tafaverina amin'ny tompony, ny roa kosa maty. Mitohy ny fanadihadiana
 - BEFANDRIANA AVARATRA. Rivo-mahery nandrava trano . Ny 11 desambra teo tokony ho tamin'ny 04 ora sy sasany tao Befandriana avaratra, dia nisy rivotra mahery nandalo teo an-tampon-tanana nandritra ny adiny roa . Vokany, trano 191 rava, olona 1000 tsy manan-kialofana, olona naratra iray ka naiditra hopitalay. Efa nandray ny andraikiny ny manampahefana any an-toerana.
 - ANDRONDRA. Vaky trano, akoho 40 isa lasan'ny jiolahy. Nisy namaky ny tranon'ny mpiompy iray tao Ambohibary Androndra. Avy ny orana tamin'io alina io, nafindra tany amin'ny efitra ambany avokoa ny ankamaroan'ny entana sy ny akoho maromaro. Noho ny orana dia samy tsy nisy naheno ny rehetra fa hay nisy namaky ilay trano tao ambany rihana. Azon'ireo jiolahy tamin'izany ny akoho 40 isa izay noeritreretina hamidy amin'ny fety sy ireo entana hafa toy ny vilia sy ny vilany ary kojakojan-tokantrano maro samihafa.
 - Ampitatafika: ankizy vavy 10 taona naolana-mpanao trano. Ny zoma 12 Desambra teo, raha niara nilalao tamin'ny namany ilay ankizy vavy kely mpianatry ny E.P.P. dia sendra lehilahy mpanao trano. Nentiny tany amin'ny toerana mangingina ka naolany. Noferany mafy nefa izy tsy hiteniteny. Tsy nahatam-bava nefa rakalakely ka dia nilaza tamin'ny reniny. Mandà hatrany nefa ity lehilahy ity. Nitory moa ny ray aman-drenin'ilay voaolana ka omaly maraina no niakatra fampanoavana ny raharaha.
Nangonin'I Aina R. sy Delphine (stagiaire) 


131midi-mg-000157-10155-17122008 Namono nahafaty ny vadiny sady nanendaka polisy
MPANENDAKA. Tsy misy sahy nitory mihitsy ity lehilahy iray ity noho ny tahotra azy. Manana vatana lehibe izy ary dia mampitahotra ny rehetra
Namono nahafaty ny vadiny sady nanendaka polisy
Tamin'ny alahady teo no voasambotry ny polisy teny Ambodirano Ampefiloha ny mpanendaka anisan'ny atahoran'ny olona eny amin'ny faritra manodidina eny. Rehefa voasambotra izy ka nentina tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana dia fantatra fa tsy vaovao amin'ny polisy ny lehilahy. Navoaka ny dosie misy ny zavatra rehetra efa nantaony ka tamin'izany no nahafantarana fa efa novonoiny ny vadiny ary maty mihitsy. Tsy nisy sahy nitory azy anefa ny tao amin'ny fianakaviana noho ny tahotra. Mbola tao anatin'ny dosie ihany koa no nahitana fa efa tratra nanendaka polisy ity lehilahy ity tamin'ny taona 2004.
Endaka sy fandosirana. Tsy izany fotsiny ihany anefa ny zavatra fantatra mikasika ity mpanendaka ity. Tamin'ity taona ity, nentina teny amin'ny fitsarana nalaina am-bavany izy. Tamin'ny fotoana nitondrana azy avy eny Anosy ho any Antanimora anefa dia tafatsoaka ny anao lahy ary dia tsy hita raha tsy tamin'ny alahady io. Tsy nitsahatra ny fikarohana fa ny nahitana azy dia nisy vehivavy iray nendahiny tamin'ny faha-4 desambra teo teny Ampefiloha. Tsy nijanona tamin'izao ity voaendaka ity fa nitory tany amin'ny mpitandro filaminana. Notadiavina ilay jiolahy koa dia izao voasambotra izao.
Ireo zavatra roa loha ireo no nitondrana azy, omaly, teny amin'ny fitsarana nofotorana. Rehefa vita izany dia fantatra fa nalefa vonjy maika eny am-ponja ity mpanendaka ity.
Mirongatra tokoa ny asa fanendahana sy harom-paosy ary ny sinto-mahery amin'izao akaiky fety izao. Efa maro ireo tratran'ny mpitandro filaminana nefa dia mbola maro ihany koa ny manao izany. Saika ahitana sy andrenesana olona voan'ny mpangarom-paosy amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, indrindra fa eny amin'ireny tsena malaza ireny, toa an'Andravoahangy, Isotry ary Mahamasina.

Lire aussi - Sambava : Saika hanorin-tokantrano voan'ny ambalavelona - Tapatapany 


131midi-mg-000158-10156-17122008 Chèque halatra sy karapanondro sandoka nividianana entana
Chèque halatra sy karapanondro sandoka nividianana entana
Nosamborin'ny polisy Ramanitrarivo, monina ao Antsirabe, 60 taona, efa nisara-bady, manan-janaka telo, noho ny fampiasàna chèques an'olona very. Carnet de chèque iray very nandritra ny Jeux des Iles 2007 niaraka tamin'ny vola 1,5 million Fmg. Chèque-na Entrepreneur iray monina eny Imeritsiatosika very niaraka tamin'ny vola 25 millions fmg. Nentiny nividianana zavatra tao amin'ny tranombarotra miisa dimy ireo chèques ireo: Tranombarotra TOP GOMME, SOMACOU sy ny hafa, izay lazainy fa tsy tadidiny intsony. Nakàny entana éléctroménagers isan-karazany  tamin'ny tranombarotra iray teny Anjanahary ny sasany. Nisy ihany koa ny Chèques very nividianany   jantes alus  mitentina 860.000 Ar.
Mahatadidy azy avokoa ireo olona efa voafitany ka tonga namantatra azy. Anisan'izany  ny mpivaotra pneu eny amin'ny route digue izay efa voafitany ihany koa. Karapanondro amin'ny anaran'olona roa samihafa no tratra teny aminy, miaraka amin'ny dika mitovin'ny karapanondro iray hafa. Ny iray dia milaza azy ho Directeur des Ressources Humaines; nolazainy anefa fa tsy nampiasainy izany fa entiny mivezivezy fotsiny ihany. Izany RABEZANAHARY Andriatiana René izany no mpanao sonia ireo karapanondro sandoka telo ireo ary natao tao amin'ny 1° Arrondissement avokoa, araka ny hita. Karapanondro izay sandoka na hatramin'ny taratasy nanaovana azy, izay tsy misy ilay faritra mivohitra, ary diso hatramin'ny laharana koa. Misy tovolahy iray 40 taona eo ho eo, manana endrika métis karàna izany, no mpiara-manao ny asa ratsy aminy saingy tafatsoaka raha saika hamely tao amin'ny SUPREME CENTER  Behoririka indray izy ireo



142midi-mg-000170-10169-18122008 Olona iray nosokirina tao ambany fiara
Lozam-pifamoivoizana
Olona iray nosokirina tao ambany fiara
Omaly maraina tetsy amin'ny Vassacos Antanimena, voadonan'ny fiara taxi-be iray mampitohy ny renivohitra amin'Ivato ny olona efatra nandeha teny amin'ny sisin-dalana. Naratra mafy avokoa ireo niharam-boina. Ny iray tamin'izy ireo aza nosokirina tao amban'ilay fiara mihitsy vao tafavoaka.
Raha vao niainga ity fiara ity dia hitan'ny mpamily fa nivoha ny varavarana teo ankavanany. Nanakatona izany izy nefa ny fiara tsy najanony akory. Nivily tany amin'ny lalana tsy tokony nalehany izy ka nifatratra tany amin'ny tranon'olona. Tamin'izay indrindra no nahavoadona ireo olona ireo. Ny roa, mpianaka saika hanamboatra briquet teo amin'ny sisiny teo. Ny roa hafa, mbola mpianaka ihany koa ary mpivarotra atody. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ireto olona ireto no izao niharan-doza izao.
Vokatry ny tsy fitandreman'ny sasany, mahazo takaitra tsy fidiny ny hafa.



143midi-mg-000172-10170-19122008 Ankizy lahy maty nihinana manga
Sambava
Ankizy lahy maty nihinana manga
Nosamborin'aretina tampoka ilay zazalahy kely vao 9 taona monja rehefa avy nihinana ilay manga  izay nomen'ilay rangahy marary saina iray azy, tamin'ny tolakandro ny sabotsy faha-6 desambra lasa teo, tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe, Fotsialagnana Kaominina ambanivohitra Ambatoafo, any Sambava. Nentina tany amin'ny mpitsabo izy ny harivan'io saingy tsy nisasaka akory ny alina dia tapitra ny ainy. Nomarihin'ilay mpitsabo fa tsy dia nahita zavatra hafa mety ho nahafaty ilay zaza izy, toy ny hoe poizina na zavatra hafa. Notsiandriany fotsiny ny hoe somary bebe kankana ihany tao an-kibon'ilay zaza, ary efa matetika izy no tsaboina amin'ny resaka aretin-kibo. Tamin'ny fanadihadiana natao no nahalalana fa tsy maintsy nitondra io fanazavana io ilay mpitsabo mba hiarovana ilay olona nanome ilay manga.
Mamy Augustin. 


143midi-mg-000173-10171-18122008 Nifamono ny samy zandary, vaky loha ny iray
Nosy-Varika. Lonilony efa ela no tsy maty tao amin'ity mpitandro ny filaminana iray. Niampy zava-pisotro izany ka vao mainka nibaiko azy hanao ny tsy tokony hatao.
Nifamono ny samy zandary, vaky loha ny iray
Olona dimy no indray nodarohan'ity zandary iray sy nilany kisa tany Nosy-Varika ny herinandro lasa teo. Ny iray tamin'ireo dia vehivavy vadin'ny zandary mpiara-miasa aminy ihany. Tao amin'ny toeram-pisotroana no nahitany ny C.B (lehibeny) sy ny zandary iray izay mbola lehibeny ihany koa. Asa izay nahazo azy fa dia norahonany sady notondroiny ilay C.B-ny hoe:''ianao sefo an!''... Nosotroiny ny toaka teo ambony latabatra ary nalainy ka nofohany koa ny sigara. Notarihany hiady fotsiny izao ireto lehibeny roa ireto ary avy hatrany dia nomeny totohondry aza ilay lehibeny iray mba nananatra azy. Nanaja tena moa ilay C.B koa dia namonjy fodiana. Mbola nijanona tao kosa ny zandary roa. Nosarahan'ny olona tao amin'ny ''bar'' ireo zandary roa mbola tavela tao nefa dia mbola niadiany ihany koa ireo olona nanasaraka azy.
Nokendainy sy nakapony tamin'ny tany. Rehefa tonga tany amin'ny an-dakazera dia nifona tamin'ilay lehibeny nomeny totohondry ilay zandary nila kisa. Tampoka teo anefa dia nokendainy sy nomeny totohondry indray io lehibeny io ary dia nakapokapony tamin'ny gorodona mihitsy ny lohany. Teo noho eo io dia tsy nahatsiaro tena io. Ny olona sivily teo en-tanàna no niditra an-tsehatra nanelanelana ny raharaha satria na ny zandary mpiara-miasa aminy aza dia tsy mahavita na inona na inona amin'ny gafy ataony. Nilany ady ihany koa ireo mpiara-monina sivily ary dia afa-nenina ireo. Tsy maintsy nalefa notsaboina any Manakara haingana dia haingana ilay zandary naratra noho ny hémorragie interne nanjo azy. Raha ny fantatra aloha hatreto dia fitsarana roa no miandry ity zandary mpanakorontana ity dia ny tribonaly sivily sy ny tribonaly militera . Efa tonga nijery ifotony ny toe-draharaha tany an-toerana moa ny ''commandant de groupement'' izay lehiben'izy ireo any Mananjary. 
HAR 
Lire aussi - Lozam-pifamoivoizana : Olona iray nosokirina tao ambany fiara - Sambava : Ankizy lahy maty nihinana manga 


143midi-mg-000174-10172-18122008 Polisy sandoka nanafika fiara  Folo lahy nanafika taxi-brousse
Ambodimita
Polisy sandoka nanafika fiara
Fanafihana mitam-piadiana niseho ny alin'ny zoma lasa teo teny Ambodimita. Fiara mini-bus nitondra pâte sy vola no notafihina roa lahy manao fanamiana polisy ary mitondra basy. Toy izao ny fisehony. Raha nandalo teny Ambodimita tamin'io alina io ity fiara nitondra pâte ity dia nisy roa lahy manao fanamiana polisy ary mitondra basy nanakana azy. Nijanona avy hatrany ilay mpamily satria noheveriny fa tena polisy manao fisavana amin'ny alina ilay nanakana azy. Vao nijanona anefa ny fiara dia nambanan'ireo polisy sandoka basy ireo roa lahy tao anaty fiara ary notereny hanome ny entana sy ny vola teny amin'izy ireo. Nobatain'ireo mpanafika ny pâte 10 baoritra niaraka tamin'ny vola 3.500.000 Ia ary nasainy nandeha ilay fiara. Mpivarotra eny amin'ny faritra manodidina eny ihany ireto nisy nanafika ireto. Efa mandeha ny famotorana hahafantarana raha tena polisy na sandoka tokoa ireto nanafika teny Ambodimita tamin'ny zoma alina ireto. Araka ny fitantaran'ireo niharam-boina mantsy dia manao fanamiana ara-dalàna izy ireo, eny fa na ny fihetsiny aza dia tena fihetsik'ireny mpitandro ny filaminana manakan-dalana ireny. Fehiny dia tena jiolahy efa matihanina izy ireto.
Ambositra
Folo lahy nanafika taxi-brousse
Ny 01 desambra teo, tokony ho tamin'ny 03 ora maraina dia nosakanan'ny jiolahy miisa 10 mitondra basim-borona sy antsy lava ary lefona teo Ankazomivady, RN7 PK 296 - Ambalamanakana (AMBOSITRA) ny taxi-brousses 02  ho any Toliara. Fiara izay an'ny kaoperativa MAFIO sy SAFIDIKO avy any Morondava ho any Toliara. Sakaosy 7, valizy 3, vola 1.000.000 Ariary ary firavaka volamena no lasan'ireo mpanafika tamin'izany. Nandritra ny fisavana nataon'ny fokonolona sy ny zandary avy ao amin'ny borigadin'Ambatofitorahana dia hita ny famaky sy ilay basim-borona vita gasy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy.
Aina R. - Aina R. 


172midi-mg-000205-10202-19122008 Nitory ny tomponandraikitr'ilay fiangonana
Masera nidemisiona
Nitory ny tomponandraikitr'ilay fiangonana
Valo volana lasa izay no nivoahan'ilay horonan-tsary malagasy novokarin'ny  Aimée Rasta production  izay nampitondrainy ny lohateny hoe :  Masera nidemisiona . Araka ny nambaran'ny mpanatontosa ity horonan-tsary ity dia tantara notsoahina avy tamin'ny tantara tena nisy izy ity. Ny talata teo dia nitory an'i Aimée Rasta, mpanatontosa ity horonan-tsary mihetsika ity, ny tomponandraikitry ny fiangonana iray noho ny antony maro. Voalaza àry fa manohintohina ny fiainan'ny fiangonana ny fisian'ity horonan-tsary ity, nambara koa fa niditra tsy nahazo alalana tao am-piangonana ary nampiasa ny fitaovan'ny fiangonana toy ny sary masina, ny akanjo fitondran'ny mpitarika fiangonana ireo mpanao ilay horonan-tsary. Vokatr'izany dia tsy azo nampiasaina intsony ireto fitaovan'ny fiangonana ireto satria noheverina fa voazimbazimba.
Delphine R. 


172midi-mg-000206-10204-19122008 Zaza 3 taona maty nomen'ny anabaviny poizim-boalavo  Jiolahy mirongo basy nanendaka
Anosizato
Zaza 3 taona maty nomen'ny anabaviny poizim-boalavo
Raharaha isan'ny manahirana ny polisy manao famotorana amin'izao fotoana izao ny raharaha mahakasika ny fahafatesan'ny tovolahy kely iray vao 3 taona monja, maty nihinana sakafo misy poizim-boalavo izay nomen'ny anabaviny. Ny 15 septambra lasa teo no niseho ny tantara saingy tsy mbola vita ny famotorana hatramin'izao. Tsy mpiray tampo ireto zaza ireto fa zanaky ny mpihavana ary mifampitondra toy ny mpianadahy. Monina eny Anosizato izy ireo ary mifanakaiky trano. Tsy nisy olon-dehibe tao an-toerana tamin'io andro io fa saika ankizy avokoa. Tokony ho tamin'ny 12 ora antoandro dia nampitondrain'ity anabaviny ity vary misy laoka ny ankizivavy kely roa, 9 sy 8 taona, homena an'ilay zaza io sy ny anabaviny iray vao 6 taona monja. Noraran'ilay mpaniraka mihitsy ireto ankizy nitondra ny vary ireto mba tsy hihinana amin'io mihitsy. Mbola nanontany azy ilay vavy kely 8 taona nirahina raha tena misy poizina marina ilay sakafo, ka mbola nanamafy ilay mpaniraka fa misy poizim-boalavo tokoa ilay izy. Voatitra tokoa ilay vary ka nihinana ilay zazalahy kely sy ny anabaviny iray vao 6 taona. Fotoana fohy taorian'izay dia maty ilay zazalahikely 3 taona; ilay anabaviny kosa mbola avotra rehefa nentina teny amin'ny hopitaly.
Nanao fizahana ifotony ny dokotera ary nanamafy fa tena ilay poizim-boalavo no nahafaty ilay zaza. Nandritra ny famotorana nataon'ny polisy dia efa niaky ilay tovovavy fa tena nasiany poizina ilay sakafo saingy tsy mbola fantatra ny tena antony nanaovany izany. Efa samy nitantara ny zavatra hitany tamin'ny mpanao famotorana ireo ankizy rehetra voakasika tamin'ity raharaha ity ary inoana fa tsy ho ela dia ho fantatra ny marina. Amin'iny herinandro iny no hatolotra ny Fitsarana ny raharaha.
Isotry
Jiolahy mirongo basy nanendaka
Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy Isotry omaly vao maraimbe. Tokony ho tamin'ny 7 ora dia notafihin'ny jiolahy miisa 3 mirongo basy sy sabatra ny lehilahy iray nipetraka tao anaty fiara. Lasan'izy ireo tamin'izany ny firavaka volamena teny amin'ilay rangahy. Naratra mafy tokoa ity rangahy ity rehefa novelezin'ireo jiolahy tamin'ny vodibasy ny lohany. Efa eo am-pikarohana ireo jiolahy ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.
Aina R. - Aina R. 
Lire aussi - &quot;Masera nidemisiona&quot; : Nitory ny tomponandraikitr'ilay fiangonana - Tapatapany 


226midi-mg-000263-10258-20122008 Basy P.A sy bala tratra
Anosipatrana
Basy P.A sy bala tratra
Anisan'ny tena mampiroborobo ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra ny fiparitahan'ny basy. Naharay vaovao mikasika io fiparitahan'ny fitaovam-piadiana io ny polisy, ka ny faran'ny volana Novambra teo dia nanomboka nanao ny fanamarinana tamin'ny toerana maro teto an-drenivohitra. Nisy ny hetsika natao niaraka tamin'ny polisin'ny Faritany ka ny alakamisy hariva tokony ho tamin'ny 06 ora dia tratra tao amin'ny tokatrano iray eny Anosipatrana ny basy P.A 9 millimètre marika LUGER miaraka tamin'ny bala miisa efatra. Nandritra ny fisamborana ny tompon-trano dia tafatsoaka ilay lehilahy fa ny vadiny kosa no tratra niaraka tamin'ireo fitaovam-piadiana ireo, iny alina iny ihany anefa dia voasambotra teny Ambohidahy ralehilahy.
Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa 1.200.000 Fmg no nividianan'izy ireo ny basy iray miaraka amin'ny bala tamin'ny taona 2002. Roa moa no nolazain'izy ireo fa isan'ny basy saingy mbola any amin'ny naman'izy ireo izay mbola karohina ny anankiray hafa. Fiaraha-miasa tamin'ny Polisin'ny faritany Ambohidahy sy ny Polisin'ny Présidence moa no nahatratrarana ireto olon-dratsy ireto, tafiditra indrindra ao anatin'ny ezaka ho famongorana ny asan-jiolahy izao hetsika natao izao.
Omaly maraina no natolotra ny fitsarana izy mivady ireto.

Lire aussi - Telma super coupe : 10 000 puces à distribuer - STAF : Krismasy feno fiderana 


226midi-mg-000264-10259-20122008 Mpanafika matin'ny mpiambina
Tanjombato
Mpanafika matin'ny mpiambina
Notafihin'ny jiolahy miisa telo ny trano fivarotana fanafody sy kojakoja madinika fanao amin'ny tarehy sy volo, teny Ankadilalampotsy-Tanjombato, ny alin'ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, tokony ho misasakalina.
Nopoirin'ireo mpanafika ny varavaran'ilay fivarotana. Nisy mpiambina nahatsikaritra anefa izany fihetsika nataon'izy ireo izany ka namapaneno kiririoka sy niantso vonjy izy ireo. Na dia nahare izany aza ireo mpangalatra dia tsy mbola niala fa nanohy ny nataony ihany. Tonga ny mpamonjy ka raikitra ny fifanjevoana. Nodarohin'ireo mpiambina tamin'ny kibay sy vato ireo jiolahy mpanafika ka hany herin'izy ireo dia nandositra. Tsy tafatsoaka anefa ny iray tamin'ireo mpanafika fa voatazona teo, izy rahateo efa naratara mafy teo amin'ny tongony ka tsy afa-nihetsika firy intsony. Samy nanao izay ho afany teo ireo mpiambina ka naratra mafy ilay jiolahy. Noho ny fahaverezan-drà be loatra anefa dia tsy tana ny ain'ity farany.
Tonga teny an-toerana ny maraina ny mpitandro filaminana avy eny Tanjombato nijery ny zava-misy. Efa manao fikarohana ihany koa ry zareo amin'izao fotoana izao hitadiavana ireo jiolahy roa tafatsoaka tamin'ity fanafihana ity.
r.s 


248midi-mg-000288-10282-22122008 Notapahiny ny filahiany
Famonoan-tena
Notapahiny ny filahiany
Ady tamina mpivarotena no niantombohany ary niafara tamin'ny famonoan-tena, notapahiny ny filahiany ary nihinana fanafody izy. Natositosik'ilay mpivarotena ny rangahy iray izay azo heverina fa manana ny maha-izy azy teo amin'ny fiaraha-monina misy azy, tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Belalona, Kaominina ambanivohitra Ambalapaiso any Befandriana avaratra. Samy tsy nisy nahalala izay antony nahatonga ny gidragidra teo amin'ny roa tonta ireo olona nahita maso ilay tranga, fa dia taitra avokoa raha nahita azy voaroaka avy tao anaty trano. Maro tamin'ireo nahita no nahafantatra an'Ingahirainy, ka sady menatra no nalahelo ny zavatra nahazo azy izy, izay teny ratsy mifangaro fanevatevana efa tsy mifanaraka intsony amin'ny maha-raim-pianakaviana azy intsony. Niezaka nampitony ilay mpivarotena izy nefa toa tsy misy nandaharana ity farany fa notohizany hatrany ny fangalam-baraka izay ataony. Voatery nampiantsoana tany an-tranony ny zanany ary rehefa tonga teo amin'ilay toerana dia nitondra azy nody avy hatrany. Tamin'ny fanadihadiana natao no nahalalana fa voatevateva ihany koa ilay zanany lahy noho ny zavatra nataon-drainy. Voalazan'ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa tsy sahy nivoaka ny tranony intsony rangahy fa nijanona tao fotsiny, ary na ireo raharaha tokony ho ataony andavanandro aza tsy vitany intsony. Roa herinandro taorian'ilay tranga, dia namono tena io rangahy io noho ny henatra tamin'ireo manodidina, indrindra fa ny vady aman-janany. Ny alakamisy lasa teo izy no nanatanteraka ny famonoany tena ka ny filahiany no notapahiny, nihinana poizina tsy fantatra izy avy eo, ary nandoa zavatra hafahafa mialoha ny nahafatesany.



248midi-mg-000289-10283-22122008 Lehilahy efatra maty an-dalana
Antananarivo
Lehilahy efatra maty an-dalana
Nahitana olona maromaro maty an-dalana teto an-drenivohitra tamin'iny faran'ny herinandro iny. Nahitana izany teny Ampefiloha, Andoharanofotsy, Anosibe ary Ambatonakanga. Misy ny tsy fantatra ny antony, nisy kosa ny vokatry ny hamamoana. Ilay faty hita teny Anosibe dia lehilahy 40 taona eo ho eo. Teo ambany lavarangana no nahitana ny vatany efa mangatsiaka. Voalazan'ny olona manodidina fa niala tao an-tranony izy ny alina ary izao izy hita faty izao. Ny tapany ambany latsaka tao anaty tatatra ary ny hodi-tanany nihofakofaka. Ilay teny Ampefiloha kosa indray dia lehilahy manodidina ny 35 taona eo ho eo. Tsy fantatra izay nahafatesany fa dia hitan'ny olona nitsirara tamin'ny tany izy. Tsy nahitana ratra koa tamin'ny tenany. Mitovitovy amin'izay koa ilay teny Ambatonakanga, izay mpiasa mpanao trano eny amin'ny manodidina eny ihany, sy ny an'ilay teny Andoharanofotsy. Efa eo am-panaovana famotorana mikasika ireo fatiolona ireo ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao. Nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana ka misy ny efa nalain'ny havany.



287midi-mg-000330-10325-23122008 Miverina indray ny halatra &quot;fils&quot;-n'ny JIRAMA
Miverina indray ny halatra fils-n'ny JIRAMA
Akory ny hatairan'ny mponina eny Mandrarahody Anosila Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, tamin'ny sabotsy 20 desambra hifoha alahady teo, raha nahita fa nangalarin'ny jiolahy ny  fils  mitondra herinaratra mankao an-tanàna mirefy 200 metatra, izay notapahina avy eo amin'ny arabe amin'iny lalam-pirenena faha-4.
Tamin'ny taona 2006, volana desambra toy izao, dia efa niharan'ny asan-jiolahy ity tanàna ity. Telo volana vao tafaverina tamin'ny laoniny ny herinaratra ary nasain'ny JIRAMA nandoa 15.000 Ariary isan-tokantrano ny mpanjifa.
Nanomboka ny alahady teo dia maizina indray ny tanàna, mangina ihany koa na ny isan-tokantrano na tany am-piangonana. Ireo ankizy mianatra hazo noely aza voatery nitadiavana  groupe électrogène . Manampy izany rehetra izany ny ahiahin'ny mponina amin'ny tsy fandriam-pahalemana. Efa nisy asan-jiolahy niseho tamin'iny faritra iny.
Ity halatra  fils -n'ny JIRAMA ity dia tsy asan-jiolahy tsotra eo an-tanàna fa mila fitaovana sy fahaizana manokana.


288midi-mg-000332-10327-23122008 Fiara very tany Nosy Be, hita taty Antananarivo
Fiara very tany Nosy Be, hita taty Antananarivo
Lehilahy teratany Frantsay, tompona tranombarotra lehibe iray ao Nosy be, no nametraka fitarainana roa taona lasa izay, noho ny fahaverezan'ny fiara Renault Express. Manana sakaiza ity lehilahy ity, isan-telo volana izy dia mandeha any amin'ny taniny ka ilay sakaizany no miandry ny fananany eto. Efa ela izy no nahatsikaritra fa nanambaka azy ilay vehivavy saingy tsy mety tratrany ambodiomby mihitsy. Toy ny fanaony dia nandeha nivahiny telo volana tany ivelany ity vahiny ity, nony niverina nefa izy dia tsy tao intsony ilay fiara Renault Express. Nametraka fitoriana noho izany izy. Tsy nisy vokany nefa ny fikarohana nataon'ny manam-pahefana ka dia neverina ho nafoy ilay fiara. Roa taona taty aoriana dia tapa-kevitra ralehilahy fa hividy fiara indray. Ny mitovy marika amin'ilay very teo no notadiaviny ka niakatra taty Antananarivo izy hitady izany. Irony gazety irony no nofidiany hijerena ilay fiara hovidiany. Rehefa nitady ela ilay vahiny dia tojo fiara mitovy laharana amin'ny ilay azy very roa taona lasa. Rehefa nihaona tamin'ny mpivarotra ilay fiara ilay rangahy dia nilaza ity mpivarotra ity fa tsy azy ity fiara amidiny ity fa an'ny havany. Rehefa natao ny famotorana dia hay ilay vehivavy sakaizan'ilay vazaha no havan'ity mpivarotra fiara. Avy hatrany dia niantso ny manam-pahefana moa ity vazaha ity. Nivadika indray nefa ny filazan'ity vehivavy ity izay nanambara fa nomen'ilay vazaha azy, hono, ilay fiara fa tsy nangalariny velively. Omaly maraina no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

Lire aussi - Miverina indray ny halatra &quot;fils&quot;-n'ny JIRAMA - Adduction d'eau : Nouveau rebondissement à Ambositra II 


288midi-mg-000333-10328-23122008 Vedety nisy nangalatra tany Maorisy, rendrika taty akaikin'i Madagasikara
Vedety nisy nangalatra tany Maorisy, rendrika taty akaikin'i Madagasikara
Vedety iray no very nisy nangalatra tany amin'ny nosy Maorisy ny 21 desambra lasa teo. Ahiana ho saika hiditra taty amin'ny morontsirak'i Madagasikara izy io. Ahiana ihany koa fa mety ho rendrika aty akaikintsika aty ity sambokely ity. Nandefa irony atao hoe  balise de détresse irony ireo olona nitondra ilay sambo. Toy izao ny mombamomba azy: miloko fotsy, mirefy 27m X 8m, misy soratra PATROL ONE ny vatany, ary olona efatra no ao anatiny izay ahitana tantsambo roa sy mpandeha roa. Koa iangaviana izay mahita azy io mba hampandre ny manam-pahefana akaiky azy.
Nisy nitondra nandositra. Araka ny vaovao nivoaka tao amin'ny gazety mpiseho isan-kariva any Maorisy, Le Mauricien, dia olona roa manana olana amin'ny fitsarana any an-toerana no nandositra tamin'io sambo io. Ny iray voarohirohy amina aferana rongony, ny iray kosa voatondro ho nanafika trano fivarotana firavaka iray any an-toerana. An-tapitrisany maro no voalaza fa lasany tamin'izany. Mody nanofa an'io sambo io izy ireo rehefa nokarohina ary tsy hita intsony izay nalehany taorian'izay.



307midi-mg-000354-1035-21012008 Fatin-dehilahy natsingevan'ny rano     Halatra tariby an'ny Jirama     Fito marary, roa hafa maty     Olona dimy niharan-doza   
IKOPA
Fatin-dehilahy natsingevan'ny rano
 
Nahitana faty natsingevan'ny rano indray tao amin'ny ranon'Ikopa afak'omaly. Fatin-dehilahy sahabo eo amin'ny 30 taona eo. Efa somary simba ilay razana saingy tsy nahitana dian-dratra. Tao amin'ny fokontanin'i Morondava-Ambohibao no nahitana ny razana. Mbola miakanjo tsara ilay izy ary raha ny filazan'ny mpitsabo nanao ny fizahana dia maty an-drano tsotra ilay izy fa tsy novonoina. Na izany aza misy ihany ny fikarohana ataon'ny mpitandro filaminana amin'izay tena antony marina nahafaty azy. Teny aminy rahateo tsy nahitana taratasy azo nahafantarana azy.  
AMBOHIMALAZA
Halatra tariby an'ny Jirama
 
Mbola tsy mety mijanona ny resaka halatra tariby mpitondra herinaratry ny Jirama eny Ambohimalaza eny. Tariby mpitondra herinaratra mirefy 50 metatra indray no nisy nangalatra ny alin'ny 20 janoary teo. Tao amin'ny fokontany Fiadanana no nitrangan'izany. Ny jiro tapaka noho ny fahatapahan'ny tariby no nahataitra ny mponina ka rehefa natao ny fizahana dia nisy nanapaka ny 50 metatra. Efa nampandrenesina ny zava-miseho ny zandary tany an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy. Vao tsy ela akory izay no nisy nangalatra ny tariby mirefy 150 metatra tany amin'iny faritra iny ihany.
  ARETIN'OMBY
Fito marary, roa hafa maty
 
Nahitana trangan'aretin'omby indray teny Imerimandroso Ivato. Sivy tamin'ny ombin'ireo mpiompy monina eny no narary ka ny roa maty. Raha ny voalazan'izy ireo dia kongona no nahafaty ireo omby. Fotoana mampirongatra ny kongona amin'ny omby izao, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin'ny minisitera. Ny tokony hataon'ireo mpiompy dia ny fanasiana fanafody manala ireny kongona amin'ny biby ireny mba hisorohana ny aretina. Fanafody izay vidiana 100 ariary monja isaky ny omby. Efa tafakatra hatrany amin'ny 40 mahery any ho any izao ny omby matin'ny aretina tamin'ity vanim-potoanan'ny orana ity.  
RN4
Olona dimy niharan-doza
 
Lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-4, afakomaly tamin'ny 02 ora maraina. Fiara Clio avy any avaratra ho aty Antananarivo no niharan-doza teo Ampanotokana Ambohidratrimo. Niala ny lalana ny fiara ary nidona tamin'ny dongon-tany. Ny roa tamin'ireo olona dimy tao anaty fiara no tena voa mafy ka nalefa notsaboina teny amin'ny HJRA.
Nangonin'I Aina R.


316midi-mg-000364-1036-21012008 Olona roa maty nianjeran'ny hazo
Olona roa maty nianjeran'ny hazo
  Hazo maina raha araka ny filazan'ny mpamonjy voina. Izany hoe efa hazo efa konka. Io no nilatsaka teo amin'ireo olona roa mba nihalokaloka tao ambaniny. Tamin'ny 12 ora antoandro tany ho any no nitrangan'izany, tetsy Ambohidahy. Samy voa mafy teo amin'ny lohany ireo olona ireo ka nitarika ny fahafatesan'izy mianadahy. Mbola tao amin'ny tranom-patin'ny HJRA ireo razana omaly, manodidina ny tamin'ny 06 ora hariva. Ny iray, lehilahy 34 taona, miasa ao amin'ny Faritany. Ny faharoa kosa vehivavy 30 taona.   Azo ampidirina ao anatin'ny vokatr'ireny orambe nifanesy ireny ity tranga ity. Toe-javatra miverina matetika ny fianjeran'ny hazo rehefa ao anatin'ny fotoam-pahavaratra. Indrindra koa amin'ny vaninandro mifanakaiky amin'ny fahatongavan'ny andro ratsy toy izao. Midika izany fa efa fotoan'ny fanapahana ireo hazo atahorana izao. Indrindra fa ireo izay ratsy fipetraka sy ireo izay atahorana ny fianjerany. Mila vonona amin'ny fahatongavan'ny andro ratsy ny tanàna mba ho fiarovana ny olona monina ao aminy...
D.R
Lire aussi
 


317midi-mg-000366-10361-24122008 Fandriam-pahaleman'ny fetin'ny Noely
Fandriam-pahaleman'ny fetin'ny Noely
Polisy miisa 300 no hisahana ny fitandrovana ny fandriam-pahalemana amin'ny fetin'ny faran'ny taona eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Hohamafisina ny eny amin'ireo tsena maro, toerana feno olona, izay tena falehan'ireo mpangarom-paosy. Mifanitsa-kitro ny mpiantsena ka miala hitovy isa amin'izy ireo ny mpanao ratsy. Etsy an-daniny, hametrahana mpitandro ny filaminana ihany koa eny akaikin'ireo trano fiangonana sy hotely maro. Ny amin'ny fifamoivoizana indray dia manamafy ny mpitandro ny filaminana fa tsy handefitra mihitsy amin'ireo mpamily mitondra fiara nefa mamo. Ahitana azy ireo ihany koa ny varavaran-dalana mivoaka sy miditra ny Renivohitra. Izany rehetra izany, hisorohana ny asan-jiolahy izay mirongatra tokoa amin'izao andro fety izao.
Amin'ity hetsika ity, misy amin'ireto polisy ireto no manao ny fanamiana fentiny miasa. Misy ihany koa anefa ireo hiankanjo sivily.
r.s 


317midi-mg-000367-10362-24122008 Miaramila taloha sy  agent de sécurité  manendaka
ASAN-JIOLAHY. Misesy tsy mijanona ny fanendahana sy fanaovana herisetra isan-karazany. Hampiasaina amin'izany na basy na sabatra.
Miaramila taloha sy  agent de sécurité  manendaka
Ny 22 desambra 2008 lasa teo dia tonga nampandre ny zandary miasa ao amin'ny Paositra Anosiala ny renim-pianakaviana iray mpamongady atody mipetraka eny Ivato Aéroport, fa misy olona manao fanamiana miaramila  vert armé  sy  beret  miloko mena miaraka amin'ny sivily iray manao police de la route nanakana azy, nanambana basy poleta naka ny vola efatra tapitrisa Ariary teny aminy. Rehefa natao famotorana ilay mpamily ny fiara nitondra ilay ramatoa dia niaiky fa namany ilay lehilahy nanakana ny fiara saingy efa tsy miaramila intsony izy io amin'izao fotoana izao, koa dia natao ny fikarohana azy. Tratra teny Analakely ity farany niaraka tamin'ny basy poleta iray, miaraka amin'ny  chargeurs  02 efa misy bala miisa 14,  lecteur DivX vaovao vao novidiana, vola Ar 1 128 100. Niaiky ny heloka nataony izy roa lahy ireto.
 Agent de sécurité manendaka . Tra-tehaky ny zandary avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-Pirenena Ambohidratrimo ireo jiolahy efa-dahy tompo-marika tamin'ny fanafihana tokantrano iray. Ny zoma 19 desambra 2008 dia lahiantitra iray 70 taona efa misotro ronono mipetraka ao Andoharano, Fkt Soamanandray, Kaominina Anosiala Distrika Ambohidratrimo, no nofitahin'ny mpiambina azy ary nilazana fa misy mpiasan'ny Jirama tonga mitady azy ao an-tranony. Tsy mbola tao an-tranony izy tamin'izay ka namonjy fodiana raha vao nahazo io filazàna io. Vantany vao tonga anefa izy dia sady nofatoran'ireo olona efa niandry azy no voadaroka ihany koa ary mody nofatoran'ireto olon-dratsy ihany koa ilay mpiambina. Notakian'izy ireo vola ilay rangahy nefa tsy nisy teny aminy ka ny peratra sy ny rojo volamena teny aminy no lasany ary lasa nandositra ireto olon-dratsy avy eo. Nametraka fitarainana teny amin'ny Paositry ny zandary vaovao ao Anosiala ilay niharam-boina. Nandritra ny fanadihadihana nataon'ny zandary no nafafantarana fa mpiambina teo aloha no ati-doha nikotrika ny fanafihana izay niarahany nanatanteraka tamin'ny mpiambina vaovao sy ny namany roa hafa. Fantatra ihany koa fa samy  agent de sécurité  amina orinasa iray misahana izany izy efa-dahy ireto.
Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany izy rehetra ireo aorian'ny fahavitan'ny fanadihadiana.

Lire aussi - Fandriam-pahaleman'ny fetin'ny Noely 


317midi-mg-000368-10363-24122008 Voarohirohy ny mpiambina  Volan'ny mpiasa 40 voahodina
Halatra tao Andraharo
Voarohirohy ny mpiambina
Mpiambina iray miampy ny namany sy ny zaodahiny ary ramatoa iray hafa no natolotra ny Fampanoavana omaly noho ny halatra nitranga tao amina orinasa mpanamboatra servieta iray etsy Andraharo.   Carreaux  10 baoritra no voalaza fa very. Rehefa notampohin'ny tompon'ny orinasa ilay mpiambina dia tratra niaraka tamin'ny namany iray ary ny zaodahiny tamin'ny toerana manodidina io toeram-piasana io ihany. Nony nisava ny tompon'ny orinasa dia nahita baoritra iray tamin'ireo carreaux very niafina tany an-tokontany. Izy telo lahy ireto àry no ahiahiana amin'izao halatra izao. Ramatoa iray mipetraka tsy dia lavitra eo koa no voalaza fa mpandray ireto entana halatra ireto. Niaraka natolotra ny Fampanoavana omaly izy efatra ireo.
CNAPS
Volan'ny mpiasa 40 voahodina
Lehilahy 26 taona, mpiasana orinasa iray any Avaradrano, no tratra tamin'ny hosoka nataony. Efa ho roa taona mantsy ity lehilahy ity no fantatra fa tsy nandoa amin'ny ara-dalàna ny volan'ny CNAPS tokony ho narotsaka tamin'ny anaran'ny mpiasa miisa 40 mahery. Mba hanaovany halatra izany dia rosia sandoka miampy faktiora sandoka no nataony. Nampandre ny toeram-piasana ny CNAPS ny amin'ny tsy fisian'ny tahirin'ny mpiasa voarotsaka ka teo vao tratra ny halatra bevava nataon'ity mpitam-bola ity. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.



322midi-mg-000374-1037-21012008 Olona 3 voapoizina, iray maty
Sambava.
Olona 3 voapoizina, iray maty
  Olona telo no indray voapoizina tao amina fianakaviana iray tany amin'ny fokontany Antsirabe, distrikan'i Sambava. Vokatr'izany, maty teo noho eo ny iray. Ireo roa hafa kosa mbola miady amin'ny fahafatesana. Tamin'ny sabotsy teo no nisehoan'ity zavatra mampalahelo ity. Eny an-tokontany no mahandro sakafo ireo olona ireo. Tamin'io andro io, rehefa avy nanokona sakafo ry zareo, dia niditra ny trano. Tsy voara-maso ireo vilany teo an-tokontany. Rehefa tonga ny fotoana nisakafoana dia niseho ny zava-doza. Olona telo no nihinjitra avy hatrany, izy mivady sy ny zaobavin'ilay rangahy. Nidoboka tamin'ny tany izy ireo ary tsy nahatsiaro tena. Zaza iray tao an-trano no nahatsikaritra izany ka nampilaza ny mpifanolo-bodirindrina. Rehefa nojerena, efa maty ny iray. Ireo roa no nentina haingana tany amin'ny trano fitsaboana. Tamin'ny fandinihana ireo marary sy ny fitiliana natao dia nilaza ny mpitsabo fa poizina no nahavoa ireo olona ireo. Poizina malagasy.
Nandoa rà  
Tany amin'ny faritry Mananjary dia nisy trangan-javatra saika mitovy tamin'io ihany koa. Tapakandro fotsiny ny vehivavy iray no narary dia tapitra ny ainy. Aretina hafahafa satria nitaraina narary kibo izy. Rehefa avy eo, te handoa. Ary dia nandoa rà tokoa. Notatazan'ny havany tamin'ny zavatra izany ka voalaza fa nahatratra iray seau kely. Io fahaverezan-drà io no nitarika ny fahafatesany. Velona ny fanontanian'ny olona : aretina ve sa zavatra hafa? Araka ny vaovao dia efa niteraka iray ity vehivavy ity.   25 taona izy ary tsy manambady. Voalaza kosa fa misakaiza amina vadin'olona izy io.
Remi R./HAR


331midi-mg-000384-10380-26122008 Nianjera ny rihana, maro ny naratra
Nianjera ny rihana, maro ny naratra
Omaly andron'ny Krismasy, tamin'ny fotoana nanombohan'ny fotoam-pivavahana, raha nasaina nitsangana ireo mpino maro nipetraka tany ambony no nianjera tampoka io rihana io, teny amin'ny FJKM Ampamotokana Mahitsy. Vokatr'izany, olona 15 no naratra ka ny enina tamin'ireo nentina tany amin'ny hopitaly, ny iray no tena voa mafy mihitsy.
Araka ny vaovao azo, dia vao vita tokony ho teo amin'ny tapabolana teo io rihana io. Maro ny resaka re mikasika ny fanamboarana azy izay voalaza fa tsy nampifanaraka ny mpivavaka rehetra any an-toerana.



331midi-mg-000385-10381-26122008 Niady izy mivady, maty nitsindroniny antsy ny zanany
Maroantsetra
Niady izy mivady, maty nitsindroniny antsy ny zanany
Noleran'ilay rainy tamin'ny antsy ilay zanany vao enim-bolana monja ka dia maty tsy tra-drano. Tany amin'ny tanàna antsoina hoe Marovana Kaominina Vinanintelo any amin'ny distrikan'i Maroantsetra no niseho izany. Matetika mifamaly izy mivady ireto ary dia efa saika miakatra eo anivon'ny fokontany foana. Nambaran'ilay ramatoa moa fa mitondra ilay zaza mandositra sao vonoin'ny vadiny no antony nankanesany teo anivon'ireo tomponandraikitra misy any an-toerana. Ny zoma lasa teo àry dia tsy tana intsony ny habibiana tian'ingahirainy hatao. Mamo izy tamin'io ka ilay tsy manan-tsiny no nanamparany izany. Tamin'ny fanadihadiana nataonay no nahalalana fa nandositra ramatoa rehefa hitany fa tena romotra iry voalohany. Notrobarany antsy teo amin'ny tendan'ilay zaza, tsy vitan'izany fa mbola nasiany ihany koa ny kibony, teo ihany dia tapitra ny ainy.
Voasambotra ihany ity rangahy ity ary nafatotra tongotra aman-tanana. Efa somary hariva ny andro tamin'io fotoana nahasamborana azy io, ka dia tsy maintsy nambenana tamin'ny tranon'olona iray izy mialoha ny hitondrana azy any amin'ny mpitandro ny filaminana. Araka ny loharanom-baovao dia olona matanjaka miisa valo be izao no niandry azy tany an-toerana, tamin'ny fotoana nampisy ilay tranga. Nony maraina ny andro, nanjavona tsy hita ilay olona nambenana, ny tady namatorana azy no sisa navelany teo. Mbola tsy hita izay nalehany ka maro amin'ireo mponina any an-toerana no mametraka ny ahiahiny amin'ny olona niambina azy tao.

Lire aussi - Nianjera ny rihana, maro ny naratra 


331midi-mg-000386-10382-26122008 Kilan'ny afo ny tranon'i Basy Vava
Ambohijanahary
Kilan'ny afo ny tranon'i Basy Vava
Tamin'ny alarobia teo, tokony ho tany amin'ny 3 ora, nirehitra ny trano lehibe iray misy rihina roa teny Ambohijanahary. Potika tanteraka tokoa ilay izy na dia vita tamin'ny biriky voarafitra tsara aza. Main'ny afo avokoa ny entana rehetra tao amin'ilay trano. Nisy ampahany vitsy mba avotra ihany toy ny televiziona, akanjo sy fanaka vitsivitsy. Vehivavy iray no fantatra fa naratra vokatry ny fitsambikinana avy any amin'ny rihana faharoa.
An'ingahy mpanorina ny gazety Basy Vava moa io trano nirehitra io. Tsy fantatra mazava hatramin'izao ny antony niandohan'ny afo. Ny maro mpilaza dia toa hoe  court-circuit  no nahatonga izany. Avy any ambany rihina ny afo. Tsy nahalala na inona na inona mihitsy ireo olona tany ambony rihina. Ny mpandalo sy ny oona avy aty ambany no nahita ny lel'afo avy ao ambany tohatra. Vetivety foana dia niakatra ny setroka. Tsy maintsy natao araka izany izay namonjena ireo olona miisa dimy tany amin'ny rihana ambony. Nanome tanana ihany koa ny mpiara-monina, koa dia nalaina ny bodofotsy ary nasiana kidoro teo amboniny. Io no nitatazana ireo olona nitsambikina. Tamin'ny efatra voalohany, nandeha tsara izany. Rehefa teo amin'ny anjaran'ity vehivavy lehibe iray, votsotra ny fanatazana ka izany no nandratra azy.
Nanano sarotra ny famonoana ny afo. Tonga haingana ny mpamono izany avy atsy Tsaralalàna saingy tapaka ny rano teny an-toerana tamin'io andro io. Voatery nandeha naka rano tany Soanierana ireo mpamono afo ireo. Ankoatra izany, nisy zavatra nipoaka koa tao an-trano. Noheverina fa tavoahangina gaz izany.



339midi-mg-000397-10394-27122008 Nifoha ilay maty dia nangataka dite
Nifoha ilay maty dia nangataka dite
Efa nandrasana roa andro ilay rangahy nefa nifoha indray, tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Antanambaon'Antsohihy, Kaominina Doany, distrikan'Andapa. Asa na ireo olona teo an-tanàna mihitsy no tsy nahalala fa mbola velona ilay olona, fa dia efa natao avokoa ny fombafomba rehetra, kanefa dia zavatra hafa no nitranga. Tamin'ny sabotsy faha-13 desambra, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, no voalaza fa maty ilay rangahy izay sahabo ho 67 taona eo ho eo, tsy narary moa izy fa noho ny fijanonan'ny fo tampoka no voalaza fa nahafaty azy. Efa izy ho alevina iny indrindra no niteny tampoka hoe: naninona moa aho ity ka vaky tady nandositra avokoa ireo olona teo amin'ny manodidina azy. Raha vao tafafoha moa izy dia dite no nangatahany voalohany. Namboarina haingana izany ary nomena azy hosotroiny ary dia velona soa aman-tsara tokoa io olona io. Maro tamin'ireo mponina any an-toerana no nanontany azy ny zavatra hitany nandritra ny roa andro nahafaty azy ka tsotra ny valin-teniny: toy ireny olona avy natory ireny ihany aho fa tsy nahita zavatra hafa akory.
Mamy Augustin.


339midi-mg-000398-10395-27122008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fanafihan-jiolahy teny Ankaraobato. Nirefotra ny basy. Nisehoana fanafihan-jiolahy teny Ankaraobato Tanjombato, ny andro'ny Noely lasa teo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo tompon-trano rehefa nahatratra ambodiomby ireo mpanafika. Tonga teny an-toerana ireto farany ka nisitrika ireo jiolahy. Nipoaka ny basy ka nitolo-tena ihany ireo mpangalatra.
 - Ambohimangakely. Mpitondra môtô maty nodomin'ny fiara. Maty tsy tra-drano ny lehilahy mpitondra môtô iray nodomin'ny fiara Mercedes-benz tao Andranovao Ambohimangakely. Potika tanteraka ilay kodiaran-droa. Loza niseho ny 23 desambra teo tamin'ny 5 ora hariva.
 - Anosy. Nahafaty olona niakatra Fampanoavana. Nandalo teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana omaly ilay nahafaty olona teny Andravoahangy ny alin'ny 24 ldesambra lasa teo. Nandalo teny ihany koa ilay mpangataka namono an-janany teny Amparibe, ary ireo miaramila sandoka nanafika mpivarotra atody teny Ivato.
 - Tsiadana. Mécanicien maty tao anaty fiara. Lehilahy mpanamboatra fiara no maty tao anaty fiara afakomaly alina. Voalaza fa vokatry ny fisotroana alikaola no nahafaty azy. Efa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana hanaovana fizahana.
 - Zandarimariam-pirenena. Misokatra ny fifaninanana. Ny ZANDARIMARIAM-PIRENENA dia mampandre ny besinimaro fa hisy ny fifaninanam-pirenena handraisana mpianatra ho Zandary miisa 600 ho amin'ny taona 2008/2009 ny 14 febroary 2009, isaky ny toerana ahitana ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena (Compagnies) manerana ny Nosy. Ny fisoratana anarana dia misokatra ho an'ny zatovolahy  malagasy rehetra manomboka ny 22 desambra 2008 ary mifarana ny 01 febroary 2009 amin'ny 06 ora hariva any amin'ireo biraon'ny Tobim-Paritry ny Zandarimariam-pirenena (Brigades) rehetra manerana ny Nosy.
Nangonin'i Aina R.


376midi-mg-000437-10432-29122008 Tapatapany
Tapatapany
 - Analakely. Mpivarotra CD piraty migadra. Voasambotry ny polisy teny Analakely ny sabotsy teo ny telolahy mpivarotra kapila mangirana piraty. Kapila efa ho anarivony no tratra teny amin'izy ireo. Notazonina vonjimaika any am-ponja izy ireo rehefa avy natolotra ny Fampanoavana.
 - Fisolokiana. Karana iray naiditra am-ponja. Teratany karana iray, voarohirohy tamin'ny resaka fisolokiana no naiditra am-ponja vonjimaika, ny sabotsy teo, rehefa avy nandalo teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana. Fisolokiana volan'olona mitentina 157 tapitrisa no mahavoarohirohy azy.



376midi-mg-000438-10433-29122008 Tratra i Patrick Seychellois
Fitifirana polisy
Tratra i Patrick Seychellois
Voasambotry ny polisy tao Maevatanàna ny tolakandron'ny sabotsy teo i Patrick le Seychellois, jiolahy raindahiny efa nokarohina hatramin'izay. Ankoatra ny maha mpanao aferan-drongony azy dia izy ihany koa no tompon'antoka tamin'ny fitifirana ireo polisy roalahy teny Nosy be ny 13 novambra lasa teo.
Naharay vaovao avy aty Antananarivo ny polisy tao Maevatanana fa handeha hidina any Mahajanga i Patrick sy ny sakaizany. Nanao sakana izy ireo ary izao izy voasambotra izao. Mbola nahatratrarana basy revolver sy bala 5 ary karapanondro malagasy sandoka teny aminy tamin'io fotoana io. Ny andron'io ihany dia nalefa aty Antananarivo i Patrick sy ny sakaizany ka hadihadiana etsy amin'ny biraon'ny polisy etsy Anosy.
Raha tsiahivina dia ny marainan'ny 13 novambra no nitifiran'i Patrick ireo polisy roalahy tany Nosybe Hell ville, tao Dar-es-salaam (Ambatoloaka) raha handeha hisambotra azy ireto farany. Voatifitra teo amin'ny tendany ny iray ary ilay faharoa kosa teo amin'ny tanany. Nalefa notsaboina haingana taty Antananarivo ilay voa teo amin'ny tendany saingy tsy tana ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Efa ela no nikarohana ity teratany Seychellois ity fa izao izy vao tratra.

Lire aussi - Tapatapany 


376midi-mg-000439-10434-29122008 Faty tapa-doha, sy filahiana
Nosy Be
Faty tapa-doha, sy filahiana
Efa herinandro izay no tsy nahitana azy, ary vao omaly no hita ny fatiny.Tapaka ny lohany sy ny tanany havanana  ary tsy hita ny maha lehilahy azy. Tombo Anjara no anarany, avy any Antanibe Andrefana, ao Nosy Be ihany. Araka ny fanazavana nataon'olona sasantsasany nahita azy talohan'ny  nahafatesany dia vazaha teratany frantsay no nitondra azy tamin'ny môtô, tamin'ny asabotsy lasa teo. Nanomboka teo no tsy nahitana azy intsony, raha tsy io fatiny hita omaly io. Tsy mbola fantatra hatramin'izao ny olona nahafaty azy ,fa efa voatazona ao amin'ny polisy ao Nosy Be omaly ihany ilay teratany frantsay namany.Mbola eo am-pikarohana kosa ilay namany faharoa ,izay voalaza fa avy any Antananarivo. Mpanao  reparation  ireny  vedette  ireny  no asan'ity teratany frantsay ity, araka ny nambarany. Amin'izao dia ny kaominina Nosy Be no nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana sy nitondra azy any amin'ny fianakaviany. Efa habibiana mihitsy izao, hoy ny fianakavian-dRatompokolahy, ka miantso ny fanjakana mba handray andraikitra amin'ny fikarohana ny olona izay nahafaty i Tombo Anjara, tanora tokony 24 taona eo ho eo. Tany amin'ny toerana atao hoe :  coreille noir  no nitondran'izy ireo azy ary nahitana ny fatiny.
V.JCL 


385midi-mg-000450-10446-30122008 Nivarotra taolam-paty saika hanaovana fety
Amparafaravola
Nivarotra taolam-paty saika hanaovana fety
Olona dimy no tra-tehaky ny zandary saika hivarotra taolam-paty tany amin'ny faritra Amparafaravola tamin'ny faha-24 desambra teo. Araka ny fantatra dia tsy nanam-bola izy ireo fa tsy nisy karama ka izany no nahatonga azy hiady fasan'olona. Taolampaty avy nangalarina milanja hatrany amin'ny 30 kg no tratra teny amin'izy ireo.
Dimy mirahalahy ireto mpanao afera sy mpangady vato no niroboka tamin'ny famakiana fasan'olona tao amin'ny fokontany Andromy Ambodihasina  kaominina Andrebakely avaratra  distrikan'Amparafaravola. Ny faha 22 desambra 2008 hifoha ny faha 23 desambra teo no nanatanterahan'izy ireo ny famakiana ny fasan'olona.  Rehefa azo ny entana dia roso tamin'ny fitadiavana ny mpividy, kinanjo nifanehatra tamin'ny zandary. Tsy nahafantatra ny mpivarotra fa mpitandro filaminana ireo ,niseho ho mpividy ireo. Ilay zandary kosa efa nahazo fampahafantarana mialoha tamin'ny olona tsara sitrapo. Raikitra ny ady varotra  ka nifanaraka fa 15 millions  na 3 tapitrisa ariary  ny vidin'ny iray gony izay milanja 30 kg any ho any. Ny 24 desambra 2008, teo tokony tamin'ny 6 ora sy sasany maraina, no niditra antsehatra tamin'ny fisamborana ny zandary. Vao hita ny entana dia noraisimpotsiny ny mpangalatra. Niaiky izao asa ratsy natao izao ry zalahy.
Nilaza  izy ireo fa mpangady vato sy mpanao afera no asany ka tsy nahita entana ary dia niroboka tamin'ny halatra taolam-paty. Tsara ny manamarika fa olona avy any ivelan'ny faritra avokoa izy 5 mirahalahy ireo Nambaran'izy ireo ihany koa fa nokasaina hanaovana fety any amin'ny vady amanjanaka ireo vola ireo.  Efa eo am-pelatanan'ny zandary eto Ambatondrazaka ny raharaha ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Janus R 


385midi-mg-000451-10447-30122008 Andian'ankizilahy namaky tsena fivarotam-by  Ramatoa rasta no manoro izay olona hoendahina
Antohomadinika Isotry
Andian'ankizilahy namaky tsena fivarotam-by
Ny asabotsy 20 desambra teo dia andian'ankizilahy miisa folo ka tsy ampy taona ny telo no namaky tsena fivarotam-by teo Antohomadinika Isotry. Vy mitentina eo amin'ny 2.900.000 Ariary eo no azon'izy ireo tamin'izany. Eo amin'ny manodidina eo ihany moa no fivarotan'izy ireo ny entana halatra. Feo re avy amin'ny manodidina no nahatratrarana azy folo lahy ireto ny asabotsy 27 Desambra teo. Noho ny fiparitahan'ny feo dia tsy nisy nahatratrarana mihitsy ireo olona mpividy ny vy halatra. Araky ny nambaran'ny tompon'ilay tranom-barotra dia efa fanaon'ireto ankizy ireto ny mangalatra ao amin'io toerana io fa izao izy ireo vao tratra. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy folo lahy.
67 ha Ankasina
Ramatoa rasta no manoro izay olona hoendahina
Ny alahady lasa teo dia lehilahy iray nihazakazaka vao maraina no voaendaka tetsy Ankasina 67 ha. Andian-dehilahy maro moa no voalazany fa nanendaka sy namono azy. Polisy nanao fisafoana no nahita ramatoa iray nanondrotondro an'ity rangahy ity tamin'ireo lehilahy maro niaraka taminy. Fantatra àry fa manao andiany ireto mpanendaka ireto àry ity ramatoa ity no mijery ny olona hoendahina ary manatanteraka fotsiny kosa iretsy lehilahy namany. Entana maro no lasan'ireo mpanendaka tamin'izany toy ny finday, ny firavaka sy ny vola. Ankoatra ireo dia mbola voadaroka sy voaratra ihany koa izy. Tsy nisy nahatratrarana mihitsy moa tamin'ireo lehilahy nanao ny herisetra sy ny halatra fa ilay vehivavy kosa no tratra ambodiomby ka natolotra ny fampanoavana omaly.
Delphine - Delphine 


385midi-mg-000452-10448-30122008 Fiaramanidina nieren-doza
Mahajanga
Fiaramanidina nieren-doza
Fiaramanidina ANTONOV iray, an'ny orinasa ITF, izay nisy mpandeha sivy miampy mpanamory rao, no tratran'ny tsy fetezana ara-teknika raha hiantsona teo amin'ny seranana Mahajanga, ny 26 desambra 2008. Misimisy ihany ny fahasimbana tamin'izany.  Voadona ny elatra roa ambany, voa ihany koa ny  train principal , ny  fuselage , ny  hélice  ary ny  tuyau de chasse.
Tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin'ity loza ity. Na izany kosa aza anefa, nitaintaina mafy avokoa ireo olona 11 tao anatiny.



385midi-mg-000453-10449-30122008 Aretina mahafaty omby
Fianarantsoa
Aretina mahafaty omby
Nahitana aretin'omby Fièvre de la vallée du rift ihany koa tao Ambalamanenjana, kaominina Mahaditra, Distrika Vohibato ny 27 desambra 2008. Toy izao ny fisehon'ilay aretina: mihinjitrinjitra ny omby ary mianjera amin'ny tany avy eo ka maty rehefa afaka ora maromaro. Amin'izao fotoana izao dia roa (02) ny omby maty ary mbola misy iray (01) marary izay natokana toerana. Nalevina avy hatrany ilay omby roa maty.


386midi-mg-000455-10450-30122008 Shabberah sy ireo loza ambarany
TAOM-BAOVAO.  Ho tonga indray ny taona vaovao. Manana ny fahitany ny zavatra mety hitranga Ramatoa Shabberah mpaminany, indrindra fa ny loza.
Shabberah sy ireo loza ambarany
Atahorana fatratra ny loza an-dranomasina aty amin'ny faritra misy antsika amin'ity taona ity. Mety hisy korontana ihany koa amin'ny lafiny ara-politika raha tsy mifandefitra ny an-daniny sy ny an-kilany, ireo no tena nisongadina tamin'ny fahitana nambaran-dramatoa Shabberah mpaminany raha tafaresaka taminay. Ho avy indray ity ny taona vaovao. Nilaza ny heviny sy ny fahitany Ramatoa Shabberah. Talohan'izany anefa, namintina ny zava-niseho tamin'ny taon-dasa izy. Araka ny faminaniany tamin'ny voalohan'ny taona teo dia hisy olo-malaza ho faty eto amintsika. Nitranga tokoa izany tamin'ny fahalasanan'i Rado (mpanoratra) sy Mompera Rémi Ralibera. Nambarany ihany koa fa ho mafimafy ny fiafaran'ity taona ity, manaporofo izany , hoy izy, izao rivotra politika somary henjakenjana mitsoka eto amintsika izao.
Fa ny mikasika ny zavatra mety hiseho amin'ny taona ho avy dia atahorana fatratra ny loza an-dranomasina aty amin'ny faritra misy antsika amin'ity taona ity. Eo ihany koa ny korontana ara-politika, raha tsy mifandefitra ny roa tonta. Tokony hitodika any amin'ny vahoaka nifidy azy, hoy izy, ny Ben'ny tanana, ary tokony hahay hamela heloka kosa amin'ny maha Raiamandreny azy ny Filoham-pirenena.
Ankoatra ireo rehetra ireo dia voalazan-dramatoa Shabberah fa ho taonan'ny vahiny ny taona 2009, ary mifanojo indrindra amin'ny fandraisantsika ny fihaonam-ben'ny firenena afrikana hatao eto amintsika izany. Vaovao tsara izany saingy nohantitranteriny fa tokony hohamafisina ny fiambenana ny faritra rehetra handraisana ireo vahiny manan-kaja ireo, raha tsy izany dia mety hisy zava-doza hitranga.
Farany dia nasiany teny ihany koa ny fitandremana fatratra amin'ny fampianarana ireo mpitandro filaminana mbola mianatra asa. Tsy tokony hatoro azy ireo any am-bolaohany avokoa ny tsiambaratelon'ny fitaovam-piadiana rehetra. Raha sanatria tsy voaray ho miaramila mantsy izy ireny dia izy ireo ihany no hivadikia ho fahavalo.
Ho taona tsara amin'ny ankapobeny ny taona 2009 fa dia anjaran'ny tsirairay no tokony hitandrina sy handray ny andraikiny.

Lire aussi - Amparafaravola : Nivarotra taolam-paty saika hanaovana fety - Antohomadinika Isotry : Andian'ankizilahy namaky tsena fivarotam-by - Mahajanga : Fiaramanidina nieren-doza - Fianarantsoa : Aretina mahafaty omby 


386midi-mg-000456-10451-30122008 Mpangalatra valo matin'ny olona
Asan-jiolahy
Mpangalatra valo matin'ny olona
Raikitra ny fifandonana teo amin'ny dahalo mpangalatra omby, ankilany, ny fokonolona tao an-tanana, andaniny. Voaktr'izany, nahery vaika tokoa ireo mponina efa leon'ny asan-jiolahy tsy mampandry andro aman'alina azy ireo. Maty tamin'ny fifandonana ny dahalo miisa valo. Iray kosa no lavo teo amin'ireo mpanaradia.
Tamin'ny faha-24 desambra teo dia dahalo hatrany amin'ny telopolo any ho any, nirongo basy kalachnikov sy basim-borona ary famaky sy lefona, no tonga nandroba sy nananfika tao Tomboarivo, fokontany Soamanonga, kaominina Elonty, tany amin'ny faritra Anosy. Efa maraina ihany ny andro tamin'izay satria tokony ho tamin'ny 5 ora tany ho any. Omby 94 no lasan'ireo mpangalatra.
Tsy niandry ela ireo tao an-tanana ary nifamory avy hatrany. Teo no ho eo ihany dia tapaka ny hevitra fa hanara-dia sy hiady amin'ny dahalo.
Tsy lasa lavitra anefa ireo dahalo dia nifankahatratra tamin'ny mpanara-dia ary velona ny fifandoanana.
Tamin'izao no nahafaty ny dahalo valo. Rehefa nojerena dia tafaverina avokoa ny omby very rehetra. Hita teo amin'ny toerana nahalavo ireto olon-dratsy ny basy kalack iray, basim-borona iray ary fanamiana miaramila iray miaraka amin'ny satroka miaramila iray.
Efa eo am-panaovana famotorana amin'izao fotoana izao ny zandary avy ao amin'ny Brigade Tsivory.



412midi-mg-000483-1057-22012008 Mpirahalahy maty nilatsahan'ny varatra  Maty voapoizina tamin'ny mofo  5 lahy  
Mpirahalahy maty nilatsahan'ny varatra
  Nirefotra indray ny varatra ary nahafaty olona tany Ambohibary, distrikan'Antsirabe. Tamin'ny alatsinainy teo tokony ho tany amin'ny 4 ora folakandro tany, avy be ny orana tany an-toerana. Olona valo no ireny indray nialoka teo am-body hazo. Nilatsaka ny varatra ary dia maty teo no ho eo ny lehilahy iray. Ireo sisa ambiny kosa naratra mafy avokoa ary nentina tany amin'ny hopitalin'Antsirabe hotsaboina. Voa tonga tany anefa ny olona iray hafa dia maty ihany koa. Roa izany no namoy ny ainy ary voalaza fa mpirahalahy izy ireo.
Lova  
Antalaha.
Maty voapoizina tamin'ny mofo
  Tovolahy iray 18 taona no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana mofo dipaina tany amin'ny tanàna atao hoe Ampotatra, kaominin'Antalaha tamin'ny alatsinainy teo. Herinandro izy no narary dia izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Tamin'ny talata heriny omaly, nivoka maraina izy niaraka taman'olona iray. Io olona io no nanome azy ilay mofo. Raha vao avy nihinana anefa izy dia narary. Nivonto be ny tongony havanana. Nihombo saika isan'andro ny aretina ary dia io niafara tamin'ny fahafatesany io. Tamin'ny alakamisy, tonga tao an-tranony ny vadin'ilay olona nanome mofo azy. Afaka kelikely, tonga koa ilay rangahy. Nitraotra ilay ankizilahy ary avy hatrany dia nandroaka io lehilahy io. Ny alakamisy, niverina indray ilay lehilahy. Tamin'izay, niteny izy fa hanome omby iray satria voatondro ho namosavy. Teo anatrehan'ny vavolombelona no nanaovany izany. Tamin'ny andro rehetra naharariany, tsy afaka tao am-bavan'ilay tovolahy ny anaran' ilay olona nanome mofo azy.
Remi R.  
5 lahy  
  Jiolahy miisa 5 mirongo basy no nanafika tao amin'ny tanàna Andranomaloto any Ampanefena, Vohémar tamin'ny faha-13 janoary teo. Trano 12 tafo no indray nidiran'izy ireo ary lasany tamin'izany ny vola 160 000 Ar mahery, firavaka volamena milanja 150 gr ary fitaovana hafa. Nidirany an-keriny fotsiny izao ny tranon'olona. Alohan'izany, napaokany ny basy. Nihorohoro fatratra tokoa ny vahoaka lavitra ny tanàn-dehibe. Nanao ny asany avy hatrany ny zandary avy ao Ampenefena ka tratra ny roa tamin'ireo dahalo.
Remi R.


413midi-mg-000485-1059-22012008 Mampihorohoro ny naman'i Titakely   
Mampihorohoro ny naman'i Titakely
 
  Tsy hilamina mihitsy ety amin'ny tanàna ety, tsy hampihemotra anay ny fahafatesan'i Titakely  . Izany no feo mandeha any an'elakelatrano eny Ambanidia eny amin'izao fotoana izao, taorian'ny nahafaty an'i Titakely, araka ny voalazan'ny mponina vitsivitsy tafaresaka taminay. Mihorohoro ny mponina eny satria misy bandy efa-dahy izany mivezivezy any an'elakelatrano any amin'ny alina ary manely izany resaka izany.   Efa fantatry ny polisy ny fisian'ireo bandy ireo, izay tsy iza fa naman'i Titakely. Efa mandeha ny fikarohana ary efa eo am-pamolavolana ny tetika rehetra hisamborana azy izahay  , hoy ny fanazavan'ny tomponandraikitra iray ao amin'ny Polisim-pirenena   tafaresaka taminay.   Tsy misy atahorana kosa ny momba ny mpanome vaovao mikasika an'i Titakely satria voaaro tsara ireo na dia misy aza izany fampihorohoroana izany  , hoy ny fanampim-panazavany.  
Tsy ho ela
Raha tsiahivina fohy dia ny sabotsy teo no maty voatifitry ny polisy tetsy Ambanidia manoloana ny EPP i Titakely, raha nikononkonona fanafihana. Nahazo antso ny polisy fa mihaodihaody eo ry Titakely sy ny namany. Raikitra ny fifampitifirana teny Ambanidia ary lavo tamin'izany i Titakely, fa ireo namany kosa tafatsoaka. Raha izao fandehan-javatra izao dia ireo naman'i Titakely tafatsoaka ireo no mampihorohoro an'Ambanidia. Tanàna malaza ho tsy dia milamina hatramin'izay iny faritra iny. Inoana anefa fa tsy ho ela dia handray ny andraikiny ny mpitandro filaminana, fa tsy hiandry ny valifatin'ny jiolahy vao hihetsika indray. Mbola tsy nahitana vaovao tokoa mantsy hatramin'izao ny mikasika ireo basy very teny Antsalovana na dia efa tafakatra 20 mahery aza ny olona nosamborina sy nalaina am-bavany.
  Aina R.


413midi-mg-000486-1060-22012008 Zaza 8 taona nangalatra finday tany am-piangonana
Zaza 8 taona nangalatra finday tany am-piangonana
  Zava-niseho tao amina fiangonana iray tetsy Andoharanofotsy tamin'ny alahady teo ity. Zaza vao 8 taona monja tratra nangalatra finday. Efa fanindroany izao nangalarany izao izay izy vao tratra. Rehefa mitsangana mankeny aloha iny ny mpiangona no misava ny poketran'olona izay sendra azy ity zaza ity ary maka ny finday. Efa nisy olona voany tamin'ny alahady heriny fa tsy tratra izy. Ny alahady teo kosa dia tratra ambodiomby mihitsy izy. Nisahotaka ny tao am-piangonana ka samy nijery ny poketrany. Tsy nitory anefa ilay nahatratra azy, fa ilay tompona finday efa very tamin'ny heriny no nitory azy. Omaly izy no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana tetsy amin'ny Fampanoavana, ka nalefa notazonina vonjy   maika eny amin'ny akany fitaizana zaza maditra. Nandritra ny famotorana ity zaza ity no nanondroany ny olona nivarotany ny finday nangalariny, isan'ny nofotorana ihany koa io ramatoa io sy ny renin'ilay zaza, saingy samy nahazo fahafahana vonjy maika. Araka ny voalazan'ny mpiangona ao amin'io fiangonana io, dia zaza avy amina fianakaviana maro anaka ity zaza nangalatra ity, ary somary sahirankirana ara-pivelomana ihany ry zareo. Efa mamely mafy tokoa angaha ny fahasahiranana ka hatrany am-piangonana avy no mangalatra ny sasany. Matetitetika mihitsy izay tato ho ato no nandrenesana ity resaka halatra any am-piangonana ity. Tsy ny finday ihany aza fa hatramin'ny radio any anaty fiara.
r.s


440midi-mg-000514-1089-23012008 Séries d'investitures
Séries d'investitures
Le ministre coach de la région SAVA, Tsiandopy Jacky, a procédé, avant-hier, à l'investiture du chef de Région, Benaivo Andrianaly Narcisse. Notons que ce dernier a déjà occupé différents postes de responsabilités, entre autres, Secrétaire Général de l'ex-Faritany de Toliara, et récemment Préfet de SAVA. Cette cérémonie avait vu également l'investiture de 26 maires du district de Sambava. Dans son allocution, le ministre de la Fonction Publique a lancé un appel à tout un chacun pour se donner la main. Et ce, dans l'intérêt du Faritra.  Halte à la politique politicienne, travaillons ensemble. Une étroite collaboration doit s'instaurer entre les dirigeants, le peuple et les élus . S'adressant à ces derniers, le ministre de rappeler,  réalisez vos promesses, lors des campagnes électorales. Et que celles-ci correspondent au programme du gouvernement . Et d'ajouter que le patriotisme doit aller de pair avec le professionnalisme et le civisme. Pour sa part, le chef de Région a promis de se donner à fond pour le développement de la SAVA. Il a également sollicité la collaboration de tous pour l'intérêt de la Région. Tout en prônant l'ouverture.   
Rémi R.
Cahier Politique 

451midi-mg-000526-1104-23012008 Voamboana 215 tsy ara-dalàna
Voamboana 215 tsy ara-dalàna
  Tamin'ny faha-17 janoary teo no tratran'ny zandary tany Ambohitompoina any Antanifotsy ny lehilahy iray nahatratrarana hazo voamboana miisa 215 ary mirefy 4 m tsirairay. Araka ny vaovao nomen'ny mpitandro filaminana dia nalaina tsy nahazoana alalana ireto hazo anisan'ny sarobidy ireto. Roa taona lasa izay dia efa tratra nanao io asa ratsiny io ity olona ity ary efa nanefa ny saziny tany an-tranomaizina tany Ambatolampy. Dia izao mamerina izao indray. Noho ny fiaraha-miasa teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona no nahazoana izao vokatra izao.
Lova


451midi-mg-000527-1105-23012008 Bodoin'ny sasany ilay tany fa misy volamena
Bodoin'ny sasany ilay tany fa misy volamena
  Any amin'ny toerana antsoina hoe Sahondrika   ao anatin'ny kaominina Morafena dia misy velarantany mirefy hatrany amin'ny 9Ha. Tany novidian'olona izy io ary ananany taratasy mazava tsara tokoa. Fantatry ny mponina manodidina fa misy volamena ilay izy koa dia nanaovan'izy ireo tery vay manta fotsiny izany ny fitrandrahana azy. Niezaka nandrara ilay tompony nefa dia izy indray no nahazo teny fandrahonana. Dia tsy sahy tokoa ilay olona. Efa nitondra ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ihany koa izy fa niala maina. Sarotra tokoa mantsy ho an'ny olona ambanivohitra ny manazava ny fananana taratasy. Indraindray koa tsy te hahalala ry zareo. Misy volamena ao, izay no fantany dia mitrandraka izy ireny. Raha mbola eo am-pitadiavana ny vahaolana ilay rangahy dia mitombo hatrany ny fanilihana sy fandrahonana azy. Toa efa mitady ho tonga amin'izany hoe  hananganana hazo fotsy . Any amin'iny faritra iny, misy dikany lehibe izany. Ny olona hananganana hazo fotsy dia voatondro ho mpamosavy, tsy hakana afo, tsy hindramana sira sy ny zavatra hafa rehetra. Dia mandefitra manana ny rariny eo ny tompony.
HAR


451midi-mg-000528-1106-23012008 Vola sandoka nividianana telefaonina
Vola sandoka nividianana telefaonina
  Vola sandoka 10 000 Ar. miisa sivy no nafangaron'ny sasany tamin'ny vola tena izy nividianana telefaonina tetsy Ankadifotsy. Omaly maraina dia tonga maro ny mpanjifa nividy telefaonina tao amin'ny mpivarotra iray. Samy revo avokoa ny rehetra ka tsy nisy nahamarika intsony ny vola natolotr'ireo mpividy. Ny nanisa fotsiny hatrany no niezahana dia izay. Rehefa tena nojerena anefa ny ampahany tamin'ireny vola ireny dia akory ny hatairan'ilay mpivarotra nahita fa vola tsy miady ny sasany. Sivy be izao. Vola 90 000 Ar. izy. Teo vao nikoropaka nanandrana nijery ireo taratasy nisy ny anaran'ny mpividy. Araka ny efa voalaza anefa, maro ny olona. Dia nivalaketraka teo satria iza amin'ireo no ho tondroina ho nanome ilay vola baoritra. Tsy afaka hanaraka ny tsirairay koa tsinona. Fomba fiasan'ny mpampiely vola sandoka ny sahala amin'izao. Tsy vao izao no nandrenesana izany fa efa fotoana ela ihany. Afangaron-dry zalahy ny zavatra dia fanina ny olona. Indraindray aza efa ampiasaina ilay vola vao misy milaza fa sandoka ireny. Ny aty an-tanàn-dehibe aza vitsy ihany no manao izany. Ny any ambanivohitra lavitra any, maro ny olona voadona. Tamin'ny taon-dasa, raim-pianakaviana iray no voa aman-tapitrisa. Nivarotra ny kisoany teny an-tsena izy. Tonga ny mpividy. Nandoa vola ara-dalàna izao. Efa nampiasa ireo vola ilay tambanivohitra vao nahafantatra fa sandoka avokoa ny teny aminy. Mikasika ity vola sandoka ity ihany, ao koa ireo sahy manakalo azy ireny tsy tahotra tsy henatra eny an-tsena eny. Tany Toamasina tany, ohatra, vehivavy no mikarama manao izany. Vola sandoka 5 000 Ar. atakalo vola tena izy 2 500 Ar. Asa aloha raha nisy ny voarebireby tamin'izany na tsia. Efa nosamborina ireo mpanakalo sy ny olona voalazany fa naniraka azy.
r.s.
Lire aussi
Antanifotsy : Voamboana 215 tsy ara-dalàna


470midi-mg-000548-1128-24012008 Dahalo roa maty voatifitra
Halatr'omby.
Dahalo roa maty voatifitra
  Jiolahy roa no maty rehefa nifanehitra tamin'ny zandary tany amin'ny faritry Betafo. Miseho lany any amin'iny faritry iny indray mantsy ny halatr'omby. Tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo dia tonga nanafika ny tanàna atao hoe Lazarivo kaominina Andrembesoa ny andian-jiolahy voalaza fa marobe tokoa. Lasan-dry zalahy tamin'izany ny omby miisa 11. Tsy niandry ny tompony sy ny olona tao an-tanàna fa nandeha nilaza tany amin'ny mpitandro filaminana avy hatrany. Natao ny fanarahan-dia. Rehefa ho tratra ireo mpangalatra dia namahatra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana tamin'izany. Tamin'io fotoana io no nahavoa ireo dahalo roa ireo. Ireo namany kosa lasa nandositra avokoa. Tafaverina amin'ny tompony ny omby folo. Ny iray efa novonoin'ireo jiolahy. Miverina indray ny halatr'omby any an-toerana any. Fotoana elaela izay, nirongatra izay tsy izy izany. Misy mangalatra avokoa na ombin-tsarety, na omby vavy na ireny omby hafa hompiana miisa maro ireo. Teo ihany koa ny fanaovana rainizavona. Havoakan'ireo mpangalatra avy any amin'ny fahitra ny ombin'olona, entiny any amin'ny toerana takona any dia rasainy avy hatrany. Nisy mpivaronkena voarohirohy tamin'izany tao Antsirabe.
Lova


470midi-mg-000549-1129-24012008 Hita faty teny Andralanitra   
Hita faty teny Andralanitra
 
Nisy nahita teny Andralanitra, akaikin'ny misy an'I Mompera Pedro ny fatin'ilay tale miasa ao amin'ny ministeran'ny atitany tsy hita efa amam-bolana maro. Nisy nampandre ny mpitandro filaminana afak'omaly fa misy razana mampiahiahy eny, ka rehefa natao ny fizahana rehetra dia fantatra fa io tale miasa ao amin'ny ministeran'ny atitany io ilay izy. Resaka fahaverezam-bola tao amin'ny ministera no niantombohan'ny raharaha. Avy eo tsy hita izay nalehan'ity mpiasam-panjakana ity, ary izao niafara tamin'ny fahitana ny fatiny izao. Mbola mitohy ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana ahitana ny marina mikasika izao raharaha izao.
Aina R.


470midi-mg-000550-1130-24012008 Olona 11 naratra mafy   
Olona 11 naratra mafy
 


470midi-mg-000551-1131-24012008 Olona 7 nosamborina omaly,  12 hafa natolotra ny Fampanoavana   
Olona 7 nosamborina omaly,
12 hafa natolotra ny Fampanoavana
 
Tsy mbola vita hatreo ny mikasika ity raharaha goavana manahirana ny polisy ity. Mbola mitohy hatrany hatramin'izao ny famotorana sy fisamborana olona. Omaly vao mangiran-dratsy izao, dia tonga teny Ankasina sy Antohomadinika ny mpitandro filaminana nisambotra olona, ka fito be izao no indray noraofina teny. Ny famotorana ireo olona 22 mianadahy efa tratra no nahazoana fanampim-baovao indray ka nahatonga izao fidinana teny an-toerana izao. Atao famotorana etsy amin'ny sampana misahana ny heloka bevava etsy Anosy ihany koa ireo olona vao nosamborina ireo. Olona 12 mianadahy tamin'ireo efa vita famotorana kosa no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana etsy amin'ny Fampanoavana Anosy omaly. Taorian'ny famotorana natao azy ireo dia 5 no notazonina vonjy maika any am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy sy ny famotorana ireo namany hafa.  
Mbola tsy hita
Na dia efa maro aza anefa ireo olona voasambotra dia tsy mbola ahitana mangirana mihitsy ny mikasika ity raharaha ity. Mbola tsy hita ihany koa hatramin'izao ireo basy roa very teny Antsalovana. Raha tsiahivina fohy dia niainga tamin'ny fifampitifiran'ny jiolahy sy ny polisy teny Tsaralalàna tamin'ny alatsinainy 14 janoary lasa teo ny raharaha. Fifampitifirana izay nahafatesana jiolahy roa ary nahatratrarana basy roa ihany koa. Nitohy tamin'ny fanafihan'ny jiolahy ny paositry ny polisy teny Antsalovana izany. Polisy roa no namoy ny ainy tamin'io ary basy roa no lasan'ny jiolahy. Ary izao miafara amin'ny fisamborana olona marobe izao ny raharaha. Efa tafakatra 30 mahery izao ny olona voasambotra, ary mbola mitohy ny famotorana azy ireo. Ho hita miandalana eo ihany ny tohin'ny raharaha.
Aina R.


470midi-mg-000552-1132-24012008 Tovovavy fisaka tanteraka voahosin'ny kamiao
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Nisehoana loza nahafaty olona omaly maraina teny Andranonahoatra Itaosy.
Tovovavy fisaka tanteraka voahosin'ny kamiao
  Omaly maraina tokony ho tany amin'ny 8 ora mahery tany dia nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona teny Andranonahoatra Behenjy Itaosy. Maty tsy tra-drano ny tovovavy iray eo amin'ny 14 taona eo. Ireo nahita mivantana ny loza no nilaza fa nandeha tamin'ny sisin-dalana niaraka tamin'ny reniny ity zazavavy ity. Feno mpivarotra anefa ny moron-dalana amin'izany ora izany. Ny mpiantsena koa efa tonga ny ankamaroany. Tery dia tery ny lalan-kombana. Ilay fiarabe koa voalaza fa nihazo ilay fiakarana kely avy any amin'ny cité ho any Andohatanjona iny. Niala io fiara io ilay tovovavy. Asa anefa izay zavatra niseho fa toa hoe nibolisatra izy. Avy hatrany dia nianjera tao ambanin'ny kodiarana aorian'ilay kamiao. Potika tanteraka ny tratrany. Nandriaka eraky ny lalana ny rà. Ny lohany kosa mba tsy voahosy. Maty teo no ho eo izy araka izany. Tetsy andanin'izany, tsy nahafantatra ny fisian'io loza io mihitsy ny mpamily satria efa dify izy vao voa ilay olona. Faharoa, taty amin'ny ankavanany ihany koa no nisy ilay voahitsaka. Ny olona niantsoantso no nahalalany ny zava-nisy. Nitangorona avy hatrany ireo vahoaka marobe ary dia samy nilaza izay hitany. Teo ireo tezitra avy hatrany ary nitabataba mafy tokoa. Ingahy mpamily kosa rehefa tonga ny mpitandro filaminana dia nentin'izy ireo nanaraka azy. Rehefa nalana teo amin'ilay toerana ny fiara dia tazonina ao amin'ny tokotanin'ny polisy eny Itaosy amin'izao fotoana izao.  
Lalana tery
  Faritra anisan'ny be mponina tokoa Itaosy. Ny lalana anefa tery dia tery sady tsy misy trottoir. Ny sisiny feno mpivarotra indrindra teny amin'ny faritra nisehoan'ny loza omaly. Tsy misy lalana hombana araka izany ny mpandeha an-tongotra fa tsy maintsy midina eny amin'ny lalana fandehanan'ny fiara. Loza mitatao isan'andro ho an'ny rehetra izany. Tsy eny amin'iny toerana iny ihany anefa fa saika amin'ny faritra maro be mponina, indrindra rehefa tsena ny andro. Sahala izany ny etsy Andravoahangy. Mampitahotra mihitsy ny mifamoivoy eny rehefa alarobia.
r.s.
 


475midi-mg-000558-1138-25012008 Vely maritoa no nahafaty an'i
Vely maritoa no nahafaty an'i
  Vely maritoa teo amin'ny fihirifany indray mandeha nataon'ilay antsoina hoe Solo ary nampian'i Rodolphe intelo teo amin'ny hatony no nitarika ny fahafatesan'ilay tale tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany antsoina hoe Cecilien Aurelien Jules Antoine. Araka ny vaovao nampitain'ny polisy dia nanara-po nidaroka ny vadiny avy eo. Nandriaka ny rà teo amin'ny fandriana natorian'itompokolahy. Samy nihaiky ny heloka vitany ireo olona roa ireo tamin'ny famotorana natao azy. Tamin'ny famotorana natao ny vadiny no nahalalana izany vaovao izany. Nihaiky ramatoa fa izy no niantso olona hamono ny vadiny. Ny antony:  tsy mba nahita fiadanana mihitsy izy teo amin'ny tokantranony noho ny ditram-badiny koa dia naleony novonoina dia amin'izay samy tsy manana. Tsy hita nanomboka tamin'ny faha-10 oktobra 2007 io rangahy io. Tamin'ny faha-16 oktobra dia tonga nilaza izany tao amin'ny SCAC ny vadiny. Tamin'io fotoana io ihany koa no nametraka ny fitarainana ny avy ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany. Rehefa nanontaniana ny nahitany azy farany ny vadiny dia nitantara ny zava-nisy. Niara-nisotro toaka tamin'i Tofa sy ny rahalahiny ilay rangahy. Rehefa nanontanina i Tofa dia nanaiky izany. Nanampy anefa izy avy eo fa rehefa vita ny fisotroana dia nateriny tany an-tranony i Cecilien tamin'ny 10 ora alina tany ho any.  
Efa vonona ny lavaka
Nihazakazaka ny raharaha. Rehefa natory soa aman-tsara tao amin'ny fandrianany ilay rangahy dia niantso tamin'ny telefaonina ny namany atao hoe Rodolphe ilay renim-pianakaviana. Tamin'ny 10 oktobra no nitrangan'izany. Tamin'ny 3 ora maraina no tonga ireo olona hamono an-drangahy. Rehefa maty rangahy dia nentina tamin'ny taxi tany Ambohimahitsy, toerana misy trano namboarin'ilay ramatoa. Niova taxi intelo izy ireo tamin'izay vao tonga teny an-toerana. Nalevina avy hatrany tao anaty lavaka efa vonona i Cecilien rehefa avy notaritaritina tao anaty kitapo. Nisy nahita izany. Nototofana io lavaka io avy eo. Lavaka izay nolazain-dramatoa fa atao gabone. 10 000 000 Ar ny karaman'izy roalahy ka ny 6 000 000 Ar noraisina teo noho eo fa ny 4 000 000 Ar nalaina tany amin'ny Caisse d'Epargne. Efa eo am-pelatanan'ny polisy Rtoa Razafindravola Agnes, 54 taona, vadin'itompokolahy, sy Rodolphe Rajaomerison, 47 taona. I Solo kosa mbola tadiavina amin'izao fotoana izao. Hatolotra ny fitsarana anio izy roa ireo.
r.s.


476midi-mg-000560-1140-25012008 Namidin'ny mpamily ny fiara   
ANALAMAHITSY
Namidin'ny mpamily ny fiara
 
Namidin'ilay mpamily 15 tapitrisa monja ny fiara Renault Espace an'ny mpampiasa azy monina etsy Analamahitsy. Ny alatsinainy teo, raha nalefa hanatitra mpianatra eny amin'ny Petid Nid izy no tsy niverina intsony. Nahavitany taratasy ara-dalàna (acte de vente, certificat de résidence, photocopie CIN) ny fiara namidiny. Ny andron'io, nandalo nanoloana ny tranon'ny tompony ilay fiara; nosakanana saingy nandositra. Ny ampitso, ilay mpamily ihany no nandefa SMS tamin'ny tompony mba hijery ny fiara eny Manjaka Ilafy. Hitan'ny zandary tokoa ny fiara, ka olona telo no nosamborina dia ny mpividy, ny mpanera ary ilay mpamily. Efa tafaverina amin'ny tompony kosa ny fiara ary efa natolotra ny Fampanoavana omaly ihany ireo olona voasambotra.
Aina R.


476midi-mg-000561-1141-25012008 Talen-tsekoly roa namoy ny ainy.
Lozam-pifamoivoizana.
Talen-tsekoly roa namoy ny ainy.
  Omaly maraina tokony ho tany amin'ny 6 ora tany dia nisy lozam-pifamoivoizana niseho tamin'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina. Fiara 4X4 iray no nifandona tamina kamiao lehibe semi-remorque. Vokany, olona iray no maty teo no ho eo. Pasitera sady telehan-tsekoly ao amin'ny David Jones any Toamasina izy io. Ny olona faharoa izay naratra tamin'io fotoana io dia nentin'ny mpamily tany amin'ny hopitaly. Tsy tana ihany koa anefa ny ainy. Talehan'ny sekoly FJKM Thomas Bevan rangahy io.
r.s.


513midi-mg-000599-1179-27012008 Nitolo-tena i Solo   
Nitolo-tena i Solo
 
Nitolo-tena tany amin'ny mpitandro filaminana ny sabotsy maraina teo i Solo. Isan'ireo namono an'i Tompokolahy Cecilien Aurélien, ilay Tale niasa tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, nisy namono tamin'ny volana oktobra. Raha tsiahivina fohy dia ny vadiny ihany no namono azy niaraka tamin'i Solo sy ny namany iray, izay efa samy voasambotry ny polisy. Novelezin'izy ireo maritoa ny fihirifany ary naleviny tao ambanin'ny tranony teny Tsaramasoandro-Ambohimahitsy. Ny alakamisy teo no hita ny razana. Hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Aina R.


513midi-mg-000600-1180-27012008 Lehilahy maty nodomin'ny fiara   
Lehilahy maty nodomin'ny fiara
 
Lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Andohatapenaka omaly tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany maraina. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nodomin'ny fiara. Ny lohany no voadona mafy ary saika niparitaka mihitsy. Fiara avy any Ampasika ho any Andohatapenaka no nifaoka azy, raha izy saika hiampita, ary mbola mijanona teo amin'ilay nosikely manasaraka ny arabe.  Nirimorimo avy any ilay fiara, nandona mafy azy ary lasa nandositra , hoy ny fitantaran'ireo nahita ny fisehoan'ny loza. Soa fa nisy fiara nahatsikaritra ny zava-niseho avy aty aoriana ka nanenjika ilay fiara nandositra. Efa lasa tany amin'ny 300 metatra mahery vao tratrany ilay fiara, ary saika tsy nijanona raha tsy nobahanana ny lalany. Maty tsy tra-drano teo ilay lehilahy niharan-doza. Mpivaro-kena monina eny Talatamaty izy io, ary avy naka hena tany amin'ny abattoir izy no izao niharan-doza izao.
  Aina R.


535midi-mg-000623-1206-28012008 Bilharziose  13% de la population malgache concernée
Bilharziose
13% de la population malgache concernée
Hanitra R.
Société 

535midi-mg-000624-1207-28012008 Association Zana-dRanavalona  Un nouveau président
Association Zana-dRanavalona
Un nouveau président
Société 

539midi-mg-000629-1212-28012008 HALATRA.  Nafatotra dia novonoina ilay mpiambina
HALATRA.
Nafatotra dia novonoina ilay mpiambina
Nifatotra ary efa tsy nisy aina intsony ilay mpiambina tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpanatitra sakafo ho azy. Araka ny vaovao, dia potipotika tokoa ny razana nanaovan'ireo mpangalatra azy.
Teny Alasora no nitrangan'ity vonoan'olona ity. Ny sabotsy maraina no nisy nahita ny razana tao amina trano iray. Mpiambina tao izy io. Izy irery no tao tamin'io fotoana io. Tsy mipetraka ao ny tompon-trano fa mandeha miasa any ivelan'ny faritra. Ny fianakaviany, arak'izany, no tonga manatitra vatsy ho an'ilay mpiambina. Ary dia ireo no nahita ilay razana. Na dia tsy mitokana loatra aza ny toerana dia ankeviny tsy nisy nahita ny nahatongavan'ny mpandroba. Tombanana ho tany amin'ny zoma alina tany. Nanjaka tanteraka ny mpangalatra rehefa tsy afaka nanao na inona na inona intsony ilay mpiambina. Nanjavona avokoa ny entana rehetra tao amin'ilay trano. Ny tena mahavariana tamin'ity fandrobana ity dia tsy vitan'ny nangalatra fotsiny ry zalahy fa novonoiny ihany koa ny olona na dia efa nafatony aza. Efa tsy misy indrafo intsony ny mpandroba sy ny mpangalatra.
r.s.


539midi-mg-000630-1213-28012008 ZANAKY NY POLISY  Nahazo 20 tapitrisa   
ZANAKY NY POLISY
Nahazo 20 tapitrisa
 
Lelavola 20 tapitrisa ariary, vary 20 gony, tsaramaso 5 gony, voanjobory 5 gony, menaka 30 litatra, sy kojakoja vitsivitsy. ireo no fanampiana nomen'ny fikambanana THAI-MADA ho an'ireo zaza kamboty, zanaky ny polisy maty am-perinasa taizana ao amin'ny akany any Ambatolampy. Efa fanaon'ity fikambanana ity isan-taona izao fanampiana ny zanaky ny polisy izao, ary efa ho dimy taona izay no nisian'ny fiaraha-miasa. miisa 51 ankehitriny ny ankizy beazina ao amin'ny Akany, ka 29 ny vehivavy ary 22 kosa ny lehilahy. Mpiasa 13 no miandraikitra azy ireo, miaraka amin'ireo sivily 8 hafa sy mpitsabo iray .
Aina R.


539midi-mg-000631-1214-28012008 Mananjary.  Toran-kovitra izay mahita ilay jiro manga sy aloka mainty
Mananjary.
Toran-kovitra izay mahita ilay jiro manga sy aloka mainty
  Tany amin'ny tanàna iray any amin'ny kaominina Marokarima, distrikan'i Mananjary no niseho ny zavatra hafahafa mampihoron-koditra ny mponina. Rehefa tonga ny eo amin'ny 12 ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina dia misy manisaka ny varavarana. Taitra ny tompon-trano. Avy eo mahita jiro manga sy aloka mainty be avy aoriana. Voalaza fa miisa telo miavaka tsara izany aloka izany. Efa ho dimy volana izay no nisian'io fisehoana io. Tanàna roa samy hafa ary tena mifanalavitra no nisy azy. Ny ora ahitana azy anefa dia voalaza fa mitovy hatrany. Dia samy manontany tena ny mponina : herin'ny maizina ve; angatra ve sa mazia tsotra fotsiny izao sa biby. Tsy mbola nahita valinteny ny olona. Nifanaraka àry fa hosamborina ilay zavatra. Dia nifanomana. Variana fotsiny anefa avy eo fa rehefa miambina any amin'ny toerana iray ny mponina dia any amin'ny toeran-kafa ilay zavatra no mandeha. Ny ahafantarana izany, misy miantso vonjeo avy any. Dia samy toran-kovitra am-pitoerana eo fa tsy misy tafahetsika na mahare ny antso aza.  
Toran-kovitra  
Mahavita miantso vonjeo tokoa izay olona mahita ilay hazavana sy aloka. Tsy afa-mihetsika anefa, araka ny fitantaran'ireo izay efa sendra izany. Avy hatrany dia mangitakitaka am-pitoerana. Dia mbola samy variana ihany satria raha vao miantso dia lasa ilay hazavana sy ireo aloka. Tsy misy fihetsika hafahafa ataony, tsy mamono izy, tsy mangalatra ihany koa fa miala fotsiny. Voamarika ihany koa, araka ny vaovao avy any an-toerana ihany, fa ny trano misy vehivavy vao avy niteraka no tena ivantanan'ilay jiro manga. Dia lasa, arak'izany, ny eritreritry ny rehetra manao hoe sao dia mba zazalahin-drano?. Misy anefa ve izany?   Matory tsy lavo loha ny mponina amin'izao fotoana. Tsy misy sahy mamelatra ny fandrianany manaraka ny rindrina intsony noho ny tahotra sao misy manindrona zava-maranitra tampoka avy any ivelan'ny trano any. Vita amin'ny falafa mantsy ny ankamaroan'ny fonenana. Eny afovoan-trano avokoa no matory. Hafa tokoa izao tranga izao ary mampihaiky volana ny rehetra. Mbola tsy nisy fisehoana sahala amin'izao tany amin'iny faritra iny.
HAR
Faits dives 

539midi-mg-000632-1215-28012008 CECILIEN AURELIEN  Saika hariana tetsy Besarety ny fatiny,  mitory ny zanany vavy   
CECILIEN AURELIEN
Saika hariana tetsy Besarety ny fatiny,
mitory ny zanany vavy
 
 Efa nifanaraka izahay fa hariana ao amin'ny lakan-drano etsy Besarety, akaikin'ny hotely La Rotonde ny fatin'itompokolahy, saingy mbola be olona nivezivezy teny ka nentina teny Nanisana . Fitantaran'i Solo io, nandritra ny famotorana natao azy teny amin'ny mpitandro filaminana. Ny alin'ny sabotsy teo no nalain'ny mpitandro filaminana tao an-tranony i Solo, iray amin'ireo namono an'i Cecilien Aurélien, rehefa nitolo-batana.  Saika tetsy amin'ny lakan-dranon'Antohomadinika IVO aloha no nanariana azy, saingy natahotra izahay satria afovoan-tanana loatra eny , hoy izy nanohy ny fitantarany.  Ny alin'ny namonoana azy no nankeny Besarety izahay hanipy ny razana tao anaty tatatra. Nihemotra indray anefa fa mbola be olona ka naka taxi hafa nankeny Nanisana. Tonga teny vao niteny i Madama fa efa misy lavaka eny Ambohimahitsy ka teny no nalevina ny faty , hoy izy namarana ny teniny.   
Tsiafahy  
Omaly no natolotra ny Fampanoavana i Solo ary nalefa notazonina vonjimaika eny Tsiafahy. Efa voatazona eny koa amin'izao fotoana izao ilay namany iray. Ramatoa Agnès R., vadin'Itompokolahy kosa notazonina eny Antanimora. Raha tsiahivina fohy dia izy telo ireo no namono an'i Cécilien Aurélien, tale niasa tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, ny alin'ny 10 oktobra 2007. Ny alakamisy lasa teo anefa vao hita tao ambanin'ny tranony teny Ambohimahitsy ny razana. Roa tapitrisa ariary no karama nifanarahan'ilay ramatoa vadiny tamin'ireo mpamono. Ankoatr'izay, nilatsaka ho mpitory ireo nahavanon-doza amin'izao fotoana izao ny zanak'Itompokolahy Cécilien Aurélien. Ny zanany lahy moa raha tafaresaka taminay dia nilaza fa:  miezaka ny hanindry fo fa izao no zava-misy ka tsy maintsy atrehina . Mbola tantara mitohy ny amin'ity raharaha ity.
Aina R.  


539midi-mg-000633-1216-28012008 MANARINTSOA ISOTRY.  Ankizy nifanindrona antsy, nipotsaka ny masony   
MANARINTSOA ISOTRY.
Ankizy nifanindrona antsy, nipotsaka ny masony
 
Adin'ankizy niseho afak'omaly tany Manarintsoa Isotry. Teo am-pantsakana ry zareo no nifandramatra. Raikitra ny an-kanindrona antsy, nisy ny naratra, nipotsaka mihitsy ny masony. Tovovavy manodidina ny 17 sy 15 taona eo ireto niady teny Manarintsoa ireto. Tsy fantatra marina izay tena fototry ny ady, fa raha ny fisehon'ny tantara dia toa efa lonilony efa hatramin'ny ela. Efa teo am-pantsakana ny iray no tamy avy any ity fahavalony.  Tratrako amin'izay i tena , hoy izy no sady avy izy dia namely totohondry. Vehivavy iray efa lehibe teo akaiky teo no nanasaraka azy roa. Tsy nahatanty anefa ny iray fa nandeha naka antsy. Raha izy andeha hanindrona iny no notohanan'ilay nanasaraka, ka niverina tany aminy ny antsy ary nitsatoka teny amin'ny masony. Nipotsaka mihitsy ny masony noho ny hamafin'ny fitsatok'ilay antsy. Teo noho eo ihany dia nentin'ny olona teny amin'ny HJRA novonjena.  
Hitory  
Tsy mbola fantatra hatramin'izao na mbola ho avotra ihany ity tovovavy voan'ny nataony ity na ahoana. Fa raha araka ny voalazan'ny mpitsabo aloha dia atahorana ihany satria saika tafavoaka tety ivelany mihitsy ny voamasony. Mihevitra ny hitondra ny raharaha eny anivon'ny mpitandro filaminana ny fianakavian'ilay naratra ka mbola ho hita eo ihany ny ho tohin'ny tantara. Tsy hita hoe iza anefa no diso satria toa voan'ny nataony ihany razazavavy. Mampahatsiahy ny tantaran'ireo mpirahalahy nifanindrona antsy teny Ankadifotsy ny azy mirahavavy ireto. Ny an-dry zareo indray resaka sipa no nifamaliana ka niafara tamin'ny tsindron'antsy. Rehefa tsy mahatsindry fo tokoa mety manaotao foana.
Aina R.
Lire aussi
HALATRA : Nafatotra dia novonoina ilay mpiambina
 


563midi-mg-000658-1242-29012008  
 
  Olona roa no indray notsatohan'ny jiolahy antsy tany amin'ny tanàna atao hoe Ampandrozonana, any Sambava. Mirongatra tsy misy ohatran'izany ny asan-dahalo any amin'io tanàna io. Mitondra fitaovam-piadiana toy ny basy ireny mpandroba ireny. Tamin'ny faha-25 janoary teo, tonga ireo dahalo ireo. Avy hatrany dia nanapoaka basy ry zalahy. Tsy naharitra ny lehilahy iray ka nivoaka ny tranony nijery. Tamin'izy variana iny indrindra no noleran'ny jiolahy tamin'ny antsy. Voa teo amin'ny kibony sy ny tanany izy. Afaka nandositra niverina niditra tany amin'ny tranony ihany anefa izy. Ny olona faharoa dia anisan'ireo nivoaka ihany koa. Somary niery izy nefa hitan'ilay jiolahy ihany. Avy hatrany koa dia voafira antsy teo ambanin'ny kibony sy ny foto-peny tsy lavitra loatra ny filahiany. Afaka nanohitra izy ary namely katrodoho ilay dahalo. Mbola tafaverina tany an-tranony koa izy. Nandositra ireo mpandroba rehefa tonga ny zandary.
Remi R.


564midi-mg-000660-1244-29012008 Olona dimy naiditra am-ponja
Olona dimy naiditra am-ponja
Niakatra fitsarana omaly ny olona dimy voarohirohy tamina halatra tafo fanitso niseho tao amin'ny Minisiteran'ny Fanampariaham-pahefana tamin'ny faha-31 desambra lasa teo. Napetraka tao amin'ny trano fitehirizana ireo fitaovana ireo. Fatorany roa misy tafo miisa 60 ny iray ary mirefy 6 metatra. Voalaza fa tena faran'izay lafo tokoa ny vidin'ity zavatra ity satria mahatratra hatrany amin'ny Ar.1 tapitrisa ny iray. Rehefa azon'ireo mpangalatra anefa ireo fitaovana ireo dia namidiny Ar. 1 tapitrisa ny fonosana iray. Ny mpiambina no voalaza fa tompo-marika tamin'izao zavatra izao. Rehefa tratra izy dia nanoro ireo namany mpibata entana sy mpanera. Teny amin'ny faritra Ambalavao Isotry no nivarotana ny sasany tamin'ireo. Ny ambiny indray, araka ny vaovao, dia nentina tany Ilafy. Mpandraharaha iray koa no tratra tamin'izany niaraka tamina mpitondra ny fiara nitaterana ireo tafo. Efa nalefa any am-ponja vonjy maika izy ireo. r.s.  


566midi-mg-000663-1247-29012008 Nipoahan'ny  gaz , avy eo nipoahan'ny varatra
Nipoahan'ny  gaz , avy eo nipoahan'ny varatra
  Naratra mafy ny lehilahy iray monina ao Analamaho, distrikan'i Sambava. Indroa mantsy izy no nipoahan-javatra. Ny voalohany, rehefa nody tao an-tranony ity olona ity tamin'ny hariva ka nieritreritra ny hahandro sakafo dia nandrehitra fatana mandeha amin'ny gaz. Tonga anefa dia nipoaka io zavatra io. May tanteraka ilay rangahy, ny lohany, ny tarehiny, ny sandriny, ny tongony. Ny kibony no tsy voarain'ny afo. Voalaza fa somary niondrika izy tamin'ny fotoana namelomany ny afo. Raha vao voa izy dia lasa nandeha teny amin'ny reniranon'i Bemarivo nanasa ny may tamin'ny tenany tamin'ny savony. Asa na naharitra hafiriana izy tao anaty rano tao. Rehefa vita izany ka nivoaka avy ao anaty rano ny anao lahy ka lasa teo amin'ny 5 metatra teo, nirefotra koa ny varatra teo amin'ny toerana tao anaty rano avy nisasany indrindra. Soa ihany aloha fa tsy nahavoa azy izany fa ny tahotra no tena betsaka. Fifandrifian-javatra ve izany sa andro miditra ? Ny tena nahavariana, fampiasany isan'andro ilay fatana gaz ary tsy nahitana angano mihitsy hatramin'izay nefa dia nipoaka tampoka teo. Ilay varatra nirefotra indray, nahoana no teo amin'ny toerana nisasany mihitsy no nilatsaka fa tsy tany amin'ny toeran-kafa? Any amin'ny hopitaly manaraka fitsaboana ilay lehilahy amin'izao fotoana izao.
Remi R.    


570midi-mg-000668-1252-30012008 Zaza roa maty nohosen'ny fiara
Lozam-pifamoivoizana.
Zaza roa maty nohosen'ny fiara
Loza roa sosona no niseho omaly sy afak'omaly teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Zaza roa, lahy sy vavy, samy 4 taona no maty voahosin'ny fiarabe. Ny iray teny amin'ny By pass, ny faharoa tetsy Antanimena
Niampita
Afak'omaly tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany, izany hoe ny talata teo no niseho ny loza voalohany teny amin'ny By pass. Ankizivavy kely iray ndeha hiampita arabe no voafaokan'ny kamiao semi remorque ka maty tsy tra-drano. Araka ny vaovao dia potika ny lohan'ity zaza ity. Ankeviny nianjera izy dia notetezin'ny kodiarana. Ilay fiara tetsy andanin'izany voalaza fa nandeha mafimafy ihany. Niala taty an-drenivohitra ho any Toamasina izy io. Efa hivoaka iny lalana migodana iny teny amin'ny faritra Ambohimangakely ilay fiara izao nandona zaza izao.
Tokony hitandrina tsara ireo rehetra mampiasa iny lalana iny na ireo mpamily na ireo olona monina manamorona ny arabe.
Ambany fiara
Ny lozam-pifamoivoizana faharoa dia niseho tetsy Antanimena omaly tokony ho tamin'ny 7 ora tany ho any. Zazalahikely 4-mis, efatra taona no maty nohosen'ny fiara ihany koa. Ny vaovao no nahalalana fa nisitrika tao ambanin'io fiara io ity ankizilahikely ity haka zavatra. Toa tsy nisy nahita izany fihetsika nataony izany. Tampoka teo anefa, nandeha ilay fiarabe ary dia voahosy tao ambany tao ilay zaza.
Efa eny amin'ny tranom-paty eny Ampefiloha ny razana amin'izao fotoana izao.



570midi-mg-000669-1253-30012008 Vehivavy maty teo am-piterahana, nitory ny fianakaviany
Vohemar.
Vehivavy maty teo am-piterahana, nitory ny fianakaviany
Vehivavy iray no maty teo am-piterahana ary dia maty koa ny zaza tao ankibony. Tany amin'ny tanàna atao hoe Ampanefena, distrikan'i Vohemar no niseho ity zavatra ity tamin'ny sabotsy faha19 janoary teo. Tsy nanaiky ny fianakavian'ilay vehivavy ka nitory an'ilay mpampivelona. Araka ny vaovao dia manao io asa io tokoa izy saingy toa manana aretina misy fihetsehany. Ka ankeviny tamin'ny fotoana nampihetsika ilay aretina no tonga tany aminy hiteraka ilay ramatoa.
Avy any Sambava ilay vehivavy no tonga nanatona io mpampivelona io. Tsy tany amin'ny hopitaly no nandeha fa tany an-tranon'ilay mpampivelona. Asa izay zava-niseho fa betsaka ny rà very tamin'ny fotoana niterahany ary dia voalaza fa izany no nitarika ny fahafatesan'ilay ramatoa sy ny zanany.
Tamin'ny fanazavana nomen'ny mpitsabo tany amin'ny hopitaly no nahalalana fa efa tsy tokony hanao io asa io intsony ity mpampivelona ity. Efa nisy ny tatitra nalefa tany amin'ny tomponandraikitra isan-tsokajiny fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra momba ilay rasazy. Dia manohy ny asany hatrany izy. Nanampy ilay mpitsabo fa raha tany amin'ny hopitaly no natao ny fampiterahana dia nety nisy ihany ny vahaolana tamin'ilay fahaverezan-drà be loatra.
Efa misy ny famotorana atao an'ilay rasazy amin'izao fotoana izao.
Remi R. 


570midi-mg-000670-1254-30012008 Lehilahy 53 taona nanendaka  &quot; pilote &quot;
Asan-jiolahy. Sarona ihany i Antoine. Ny tena mahatalanjona dia ny taonany. Izy angamba no mpanendaka antitra indrindra eto an-drenivohitra...
Lehilahy 53 taona nanendaka
 pilote 
Big boss no fitaovana entiny amin'ny fanatontosana ny asa ratsiny. 53 taona i Antoine, saingy tsy mipetraka ho sakana ho azy velively izany amin'ny fanendahana. Ny 23 novambra teo àry dia lehilahy iray handeha hamoaka fiara anaty garazy no nataony lasibatra. Lasa ny finday, ny gourmette volamena izay milanja 40 grama. Hatramin'ny solomaso teny amin'ny tavany aza tsy namelan'i Antoine ihany koa. Fantatra ary nomarihin'ny pôlisy ihany koa, fa mpanamory fiaramanidina ilay lasibatra. Niaraka tamin'ny namany iray i Antoine nanao ny fanendahana. Antsy iray no nentin'ireo nandrahona ilay pilote dia vita ny raharaha. Noraisin'ny kaomisaria miandraikitra ny boriborintany fahatelo (Antaninandro) ny raharaha. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity no saron'ny pôlisy i Antoine rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana azy. Ny fanamarihana nataon'ilay voaendaka sy ny vavolombelona izay nahatazana ka nahatadidy ireo olon-dratsy no nanamora ny asan'ny mpitandro filaminana.
Mampitaintaina
Manan-janaka efatra ary manambady i Antoine. Tsy an'asa izy. Mazava loatra raha nivadika ho olon-dratsy, toy ireo marobe izay nirona tamin'ny asan-jiolahy ihany. Natolotra ny Fampanoavana ny 25 janoary teo izy ary hotsaraina anio. Toa zary tafiditra ao anatin'ny andavanandrom-piainan'ny mponina eto an-drenivohitra ankehitriny ny asan-jiolahy. Lasa mampitaintaina ny maro izay aleha rehetra noho ny fandrenesana ireo trangam-piaraha-monina mifandraika amin'ny tsy fandriampahalemana. Betsaka ihany ireo voasambotry ny mpitandro filaminana saingy na izany aza toa mbola maro koa  ireo olon-dratsy miriaria etsy sy eroa. Isan'ny tena nanankarena vaovao momba ny fandriampahalemana ity volana janoary ity. Raha tsy hotanisaina afats'ireny fifampitifirana nifanesy teo amin'ny pôlisy sy ny jiolahy ireny izay samy nahafaty aina na tamin'ny andaniny na tamin'ny ankilany...
D.R


570midi-mg-000671-1255-30012008 Nofantsihin'ny mpianatra ny biraon'ny COUM
ANKATSO
Nofantsihin'ny mpianatra ny biraon'ny COUM
Tsy mbola milamina hatramin'izao ny toe-draharaha eny amin'ny trano fonenan'ny mpianatra eny Ankatso. Taorian'ny fivorian'ny mpianatra omaly dia nofantsihan'izy ireo avokoa ny biraon'ny COUM rehetra teny amin'ny fonenan'ny mpianatra (Ankatso I sy II ary Ambohipo). Birao izay miandraikitra ny taratasy rehetra sy ny mombamomba ny mpianatra monina eny amin'ny  Cité U . Omen'izy ireo fe-potoana 24 ora ny tomponandraikitra mba hitady vahaolana. Takian'ireo mpianatra ihany koa ny fialan'ny lehiben'ny CROU-A. Ankoatr'izay, mangataka ireo mpianatra ny amin'ny hanemorana ny fanaovana fanadiovana eny amin'ny fonenan'ny mpianatra sy ny mba hanekena hatrany ny fanaovana  mutation . Io ihany mantsy no fomba mora indrindra handaminana ny olana eny amin'ny fonenan'ny mpianatra. Tsy hijanona izao fihetsehana izao raha tsy mahazo vahaolana mahafapo ny mpianatra.



614midi-mg-000716-1305-31012008 Mpianatra telo nianjeran'ny tamboho,
Mpianatra telo nianjeran'ny tamboho,
  Omaly maraina be tokony ho tamin'ny 8 ora, dia nianjeran'ny tamboho ny mpianatra telo vavy teny Behenjy Itaosy. Tototra tao avokoa ireto ankizy ireto. Torana avy hatrany ny iray. Ny faharoa nosokirina tao ambany biriky vao tafavoaka ary naratra mafy tokoa. Ny fahatelo kosa tsy dia naninona loatra. Ankizy eo amin'ny manodidina ny 10 taona eo izy ireo. Handeha hanao fanadinana ao amin'ny kolejy St-Michel izy telo ireo izao sendra ny loza izao. Nandeha nianatra toy ny fanaony mahazatra izy ireo. Somary teritery anefa ny lalana ka tsy maintsy nanara-tsisiny. Rehefa tonga teo amin'ny tandrifin'ilay tamboho izy ireo no nianjera tampoka ny rindrina vita amin'ny biriky. Raha ny fijery azy, vita tsara tokoa ilay tamboho. Ny antony nampianjera azy, tsy mazava aloha amin'izao fotoana izao. Ny tombantomban'ny olona no hilazana fa ankeviny navesatra loatra ny tany nanindry avy ao ambony ka izany no tsy zakan'ity tamboho ity ary nampidaraboka azy. Malemy avokoa izao ny tany indrindra taorian'ireny rotsak'orana be dia be tamin'ny herinandro ireny ka mila mitandrina ny tsirairay.
r.s.
Faits divres 

614midi-mg-000717-1306-31012008 Namono tena tamin'ny poizim-boalavo
Namono tena tamin'ny poizim-boalavo
Efa niala aina izy no tonga teny amin'ny hopitaly. Natao avokoa izay fomba rehetra namelomana azy saingy tsy nisy hevitra intsony. Afakomaly no nitrangan'izany. Avy eny amin'iny faritr'Amboditsiry iny ity tapa-kevitra ny namoy fo ity. Raha ny feo heno dia olana ara-pitiavana no nahavoa azy. Tsy voafaritra mazava moa izay tena fandehan'izany. Na dia teo aza ny resaka heno tetsy sy teroa fa noho ny fahalalany fa havany ilay saika hovadiany no nitarika azy ho amin'io fanapahan-kevitra io. Feo ihany izany. Tsy misy afats'izy irery rahateo no mahafantatra izay tena nianjady taminy. Na izany aza dia azo eritreretina fa tokony ho avotra ihany ny ainy raha tonga alohaloha kely noho io teny amin'ny toeram-pitsaboana izy. Efa manana ny fitaovana harifomba amin'ny fameloman'aina mantsy ny ankamaroan'ny hopitaly eto amintsika, toy ny HJRA etsy Ampefiloha izay nivantanany. Betsaka arak'izany ny vintana hahaveloman'izay tonga ara-potoana. Miverimberina matetika ny tranga toy izao. Entina hanentanana ny olona izany mba hitondra ny marary avy hatrany eny amin'ny toeram-pitsaboana. Indrindra manoloana ny tranga mahakasika famonoan-tena toy izao.
D.R


614midi-mg-000718-1307-31012008 Hapetraka ny  sécurité villageoise 
Hapetraka ny  sécurité villageoise 
Hapetraka eny amin'ny faritra Ambohibao sy Antehiroka iray manontolo ny hetsika vaovao nomen-dry zareo anarana hoe  sécurité villageoise . Hiara-hiasa amin'izany ny zandary sy ny  mairie  tarihin-dramatoa Patricia Randrianarison, Ben'ny tanàna. Fokontany sivy no ho voakasik'izany. Hisy amin'izany ny fiambenana isan-tanàna. Ny zandary no hanome fiofanana ny olona. Maro tokoa ireo liana amin'ity hetsika ity ary efa misy aza ireo malala-tanana vonona ny hanohana izany hetsika izany. Rehefa tafapetraka soa aman-tsara izany dia miditra amin'ny fizahana ifotony ny antony mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Ohatra iray amin'izany ny hamefena ny fihanaky ny rongony sy ny toaka gasy. Ho jerena akaiky ihany koa ireo olona mpandika lalàna tonga mialokaloka eny an-toerana.
r.s.


615midi-mg-000720-1309-31012008 Mpamosavy nitondra karandoha tratra maraina.
Mpamosavy nitondra karandoha tratra maraina.
  Omaly maraina teo anelanelan'ny tamin'ny 5 ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora dia nisy vehivavy iray hitan'ny olona teny Mahazoarivo Antsirabe. Voalazan'ny vaovao fa somary nitampify tao anaty lobolobo izy io. Raha vao nahatazana azy anefa ilay olona saika hanary rano maloto dia boda ny lohany. Na izany aza anefa dia afaka niantso ny mpiray tanàna aminy ihany izy. Nivoaka avokoa ny manodidina. Raha vao nahita izany ilay vehivavy izay voalaza fa mbola tanora tokoa (18 taona ka hatramin'ny 20 taona) dia lasa nandositra teny afovoana dobo. Natahotra ihany koa anefa ny rehetra. Na izany aza dia afaka nisikotra tamin'ny hazo ilay voalaza fa mpamosavy izy ireo ary nanery azy hiverina an-tanety. Rehefa tafaverina teny amin'ny sisiny ilay izy ka nosavaina dia nahitana karandohan'olona tany aminy. Tsy karana tanteraka anefa fa ny ilany ihany. Ny vaovao ihany no nahalalana fa mbola maitso ilay zavatra. Izany hoe, karandohan'olona maty voa haingana. Rehefa nanontaniana ny nihavian'izany ilay vehivavy dia tsy niteny tsy nivolana. Tezitra ny iray tanàna koa dia nasaina nihambozonany ilay karandoha. Tsy nampihetsi-bolomaso an'ity vehivavy anefa izany. Ny tombantomban'ny olona ihany no hilazana fa ny antony nahatratra ity voalaza fa mpamosavy ity maraina be toy izao dia noho izy mbola nitady ny ilan'ilay karandoha. Toa tsy hitany mihitsy anefa izany. Rehefa nidinika teo ny fokonolona dia nasaina nandeha nody ilay vehivavy fa tsy notazonina akory.
Lova


636midi-mg-000742-1361-04022008 Zaza 11 taona maty tsy tra-drano
Zaza 11 taona maty tsy tra-drano


636midi-mg-000743-1362-04022008 Zandary telo lahy nosoavaliana sy nampijalian'ny dahalo
ASAN-DAHALO. Azo lazaina fa nivadika ny rasa. Ny olon-dratsy indray no toa manjaka. Miraviravy tanana ny vahoaka.  
Zandary telo lahy nosoavaliana sy nampijalian'ny dahalo
Ny ain'ireto zandary telo lahy sisa no tsy afaka tamin'ny nanaovan'ny dahalo azy ireo. Nalemy tanteraka izy ireo vao navelan'iretsy jiolahy. Tany amin'ny tanàna atao hoe Amboropotsy any amin'ny distrikan'Ambatofinandrahana no niseho izany zavatra izany tamin'ny fiandohan'ny volana janaory teo. Tonga nanafika tanàna ireo dahalo. Nisy omby very tamin'izany ary dia tafaraka tamin'ny fokonolona nanaraka dian'omby ireto mpitandro filaminana ireto. Asa anefa izay zavatra niseho raha raikitra ny fifanjevoana fa azon'ireo jiolahy ireto mpitandro filaminana telolahy ireto. Nosoavaliana sy nokapohana tamin'ny vodibasy ireto zandary ireto. Ny vaovao no nahalalana fa ny basin'ireo zandary ihany no nikapohana azy. Tsy namelan'ireto dahalo raha tsy efa nalemilemy mihitsy. Araka ny fantatra dia toa afaka namonjy ny toerana nisy azy ihany ireo mpitandro filaminana ireo.  
Nivoady  
Teo anoloan'izany zavatra izany dia voadona mafy tokoa ny sain'ireo mpitandro filaminana ary toa nisy nivoady mihitsy aza tsy hamita iraka intsony. Manjaka ny asan-dahalo isan-karazany any amin'iny faritra iny. Amin'izao fotoana izao dia mihomana fatratra ny mpitandro filaminana any amin'ny faritra Amoron'I Mania hanao hetsika goavana amin'ny famongorana io zavatra iray tsy mampandry andro aman'alina ny mponina io. Maro ny resaka mandeha fa toa hoe raha vao misy tondro molotra fotsiny manao hoe namana na havana zandary dia efa mahita raharaha amin'ny jiolahy. Tsy any amin'iny faritra iny ihany no manjakazaka ny dahalo fa amin'ny faritra sasany lavitra mpitandro filaminana ihany koa.
r.s.    
Lire aussi
Lozam-pifamoivoizana : Zaza 11 taona maty tsy tra-drano  
Tapatapany


636midi-mg-000744-1363-04022008 Tapatapany
Tapatapany
   Dimy taona sazy mihantona - Nivaoka tamin'ny faran'ny herinandro iny ny didim-pitsarana mikasika ilay ramatoa lehibe iray, 60 taona, nandefa horonan-tsary mamoafady teny Ambalavao Isotry. Nosaziana 5 taona an-tranomaizina izy io, sazy mihantona sy handoa lamandy Ar. 10 tapitrisa. Ny anton'ny fiampangana azy dia fantatra fa zaza tsy ampy taona avokoa no voalaza fa nampiasainy tamin'izany: mandefa ilay filma, mivarotra ny tapakila fidirana ary ny mpijery indrindra indrindra. Tamin'ny fisavana ny tranony no nahitana kapila mangirana miisa 180.  
 Kinga ny mpangalatra - Tao anatin'ny indray mipi-maso fotsiny dia lasan'ny mpisam ny poaketran'ity olona iray teny amin'ny 67 Ha. Nitohana tao anaty embouteillage  ny fiara nentiny. Somary nisy nivoha kely ny fitaratra teo ankavanany. Ohatran'ny nisy nandona ny varavarana ankavia. Niherika tany ilay olona fotoana fohy dia fohy. Tamin'izay fotoana izay no nisy naka ny poaketrany.  
 Maty an-drano - Lehilahy 70 taona no maty tao anaty ranon'Ikopa tamin'ny sabotsy teo. Nandeha nilomano tao anaty rano tao ity lehilahy lehibe ity. Tsy fantatra izay nahazo azy fa tsy tafita teny amin'ny sisiny intsony ny anao lahy fa dobo tao. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna nikaroka ny razana. Vetivety ihany dia hita. Monina eny amin'ny manodidina eny ihany ity olona ity. Ny fokontany eny an-toerana no nandray andraikitra tamin'ny fikarakarana ny razana raha vao tafakatra avy ao anaty rano.
     Andriatany - Fatin-dehilahy tokony ho eo amin'ny 40 taona no hitan'ny olona teny amin'ny tatatra Andriantany. Rehefa tafakatra teny an-tanety ny razana dia hita fa mbola miakanjo tsara saingy tsy nikiraro intsony. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy.  
 Nihitsoka ny ascenseur  - Tamin'ny sabotsy hariva dia nihitsoka ny ascenseur tao amina orinasa iray eny Ankorondrano. Mpamily miasa ao amin'io orinasa io ihany no raikitra tao. Voatery tsy maintsy niantso ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna ny mpiandraikitra. Tsy naharitra ela fa roa minitra ihany no namoahana ilay lehilahy tao.  
 Fahafahana vonjimaika - Niakatra teny amin'ny fampanohavana tamin'ny sabotsy teo ilay mpamily fiara nandona ka nahafaty ankizy iray teny Behenjy Itaosy. Eo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana dia nahazo fahafahana vonjimaika io mpamily io.
r.s.


636midi-mg-000745-1364-04022008 Norohizana tady izy roalahy nangalatra kisoa
Norohizana tady izy roalahy nangalatra kisoa
  Niharan'ny hatezeram-bahoaka ny olona roa tratra nangalatra kisoa sy omby tany Talatan'Andraikiba Antsirabe. Raha ny eritreritr'ireo olona dia novitaina mihitsy ireto mpangalatra ireto. Nisy mba tonga saina ihany anefa nanakana azy ireo. Efa norohizana tady ny tendan'izy ireo ary efa ny hamono ahafaty azy no tao an-dohan'ny mponina. Ny alin'ny sabotsy hifoha alahady teo no niseho ny halatra tao amina mpivaron-kena sady mpiompy. Araka ny vaovao, tsy nisy nahare na inona na inona ny tao an-tanana tamin'io alina io. Maraina ny andro vao gaga ny tompon'ny trano. Tsy tao intsony ny kisoa iray sy ny omby iray. Natao avy hatrany ny fanarahana ny dian'ireo mpangalatra. Toa tsy mbola lasa lavitra loatra ireo naka ny zavatra fa tratra teny Ivohitra niaraka tamin'ireo kisoa sy omby. Tezitra avokoa ny olona ka samy nanala ny fony teo. Efa nisy ny vonona tamin'ny tady ary nametaka izany tamin'ny tendany.
Rainizavona
Rehefa voasambotra ihany koa ireto jiolahy ireto ka nanontaniana dia voamarika fa tsy avy amina toerana iray fa toerana roa samy hafa. Ny voalohany avy any Bemaha, ny faharoa avy any Antanifotsy. Tsy fantatra kosa hoe saika ho entiny aiza ireo biby ireo. Amin'ny faritra Antsirabe dia malaza teo aloha teo ny fanaovana rainizavona na ny mangalatra ombin'olona anaty fahitra dia tetehina any anaty lobolobo sy ala rehetra any. Avy eo ny hena miverina eny ambony akalana eto an-tanana ihany. Efa nisy ny olona sy mpivaron-kena tratra tamin'izany. Efa eo am-pelatanan'ny polisy ao Antsirabe ny raharaha amin'izao fotoana izao. Ireo mpandroba koa dia efa tazonina any. Mandeha ny famotorana ka avy amin'izany no tsy maintsy ahalalana izay toerana saika hitondran'ireto mpangalatra ireto ny kisoa sy ny omby. Lova


649midi-mg-000759-1387-05022008 Nifampitifitra tamin'ny polisy, Voasambotra ny roalahy
TARIK'I DORICK. Fifampitifiran'ny polisy sy ny jiolahy nandritra ny adin'ny efatra teny Itaosy. Misy ifandraisany amin'ny raharaha teny Antsalovana.
Nifampitifitra tamin'ny polisy, Voasambotra ny roalahy
Poabasy variraka nandritra ny adin'ny efatra teny Itaosy. Nifampitifitra tamin'ny polisy indray i Dorick sy ny tariny. Naharay vaovao ny avy ao amin'ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody eny Itaosy eny, mandeha scooter i Dorick sy ny namany telolahy. Tonga teny an-toerana ny polisy, ka vao nahita azy ireo ny jiolahy dia nanao tifitra variraraka. Raikitra ny fifanenjehana ka nitohy hatrany Ambohitrimanjaka. Nananosarotra tamin'ny mpitandro filaminana ny fisamborana ireto jiolahy ireto noho izy ireo mitondra kalachnikov, ny an'ny polisy kosa Pistolet Automatique. Niampita tanaty honahona ireo jiolahy ka nihazo an'Ambohibao Andranoro. Teo koa no nisara-dalana izy ireo ka tsy hita ny najavonan'i Dorick sy ny namany iray. Ny roalahy kosa dia tratra tao amin'ny  Ladoany Rakotomaditra , tao Ambohibao Andranoro. Tsy iza ireo fa i Joro sy Olivier izay isan'ireo jiolahy nanafika ilay biraon'ny polisy tetsy Antsalovana ka nahafatesana polisy roalahy.
Antsalovana
Araka ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia ity Olivier voasambotra omaly ity no isan'ny nitifitra ireo polisy teny Antsalovana. I Joro kosa no mpitsikilon'izy ireo nahafahany nanatanteraka an'iny fanafihana iny. Tsy nahatratrarana basy teny amin'izy roalahy, izay ihany koa no nahamora ny fisamborana.
Mbola hitohy anio alina ny fikarohana ataon'ny polisy, araka ny nambaran'ny tomponandraikitra. Ny fahatratrarana ireto roalahy ireto dia mety hanome fanampim-panazavana vaovao indray, ka mety hahamora ny fahitana izay tena fieren'i Dorick sy ny namany.
Mbola tsy hita ihany koa hatramin'izao ireo basy roa very teny Antsalovana, ny alin'ny 15 janoary lasa teo. Io dia valifatin'ny jiolahy taorian'ny nahafaty an'i Tiana masiso sy ny namany iray teny Tsaralalàna.
Manao lalao avo lenta ny jiolahy, tsy milavo lefona koa anefa ny mpitandro filaminana fa manao izay fara-heriny, na dia amoizana aina aza.



649midi-mg-000760-1388-05022008 Mompera notorian'ny fiangonana
Hafakely
Mompera notorian'ny fiangonana
Voatory fa nangalatra, na ny marimarina kokoa namaky...coffre. Mpitarika fiangonana iray eto an-drenivohitra io nisy nitory io. Nandritra ny tsy nahateo ny mpiara-miasa aminy, Mompera iray mpiara-mitandrina aminy, no heverin'ny mpitory fa nanatontosany ny halatra. Vola an-tapitrisany maro no indray nanjavona tao amin'ilay fitoeram-bola. Tsy vitan'izany fa mbola nisy taratasim-bola tsy hita ihany koa. Nipetraka teny anivon'ny mpitandro ny filaminana ny fitarainana. Nandalo teny amin'ny Fampanoavana ilay mpitandrina mba hohadihadian'ny mpitsara mpanao famotorana.
Nalaina am-bavany
Hatramin'ny fotoana farany nanontanianay teny Antanimora dia tsy mbola tonga teny io farany. Izany hoe, mety naharitra ny fakàna am-bavany azy tetsy Anosy. Na koa nomen'ny mpitsara fahafahana vonjimaika ny tenany. Hafakely ihany raha ny fandehan-draharaha. Tsy dia fahita firy mantsy izany hoe mpitandrina miakatra eo anivon'ny Fampanoavana izany. Misy ihany ny olom-piangonana henoina, saingy matetika dia vavolombelona no antony andalovany eny.
D.R 


649midi-mg-000761-1391-06022008 Fokonolona 4 no matiny, 4 hafa naratra
Fokonolona 4 no matiny, 4 hafa naratra
Fanafihan'ny dahalo tany Besalampy ny 1 febroary teo, tamin'ny 9 ora maraina. Tao amin'ny fokontanin'Andrafialava Est. Dahalo mirongo basy no niakatra an-tanàna ka lasan'izy ireo tamin'izany ny omby miisa 110. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona. Vao nahatazana ireo anefa ny dahalo dia nanao tifitra variraraka, ka olona roa tamin'ireo mpanara-dia no maty, lavon'ny balan'ireo dahalo. Ny harivan'io ihany dia notafihin'ny dahalo indray ny tao Mahatsiarafa, mbola any Besalampy ihany. Very tamin'izany ny omby 66. Rehefa nifanehitra ny dahalo sy ny zandary dia maty ny iray tamin'ireo mpanafika. Ny 65 tamin'ireo omby kosa tafaverina.
Ankazoabo
Roa tamin'ireo fokonolona nanara-dia no matin'ny dahalo, ary 4 hafa naratra mafy, tany Maroboka Ankazoabo ny faran'ny herinandro teo. Nitondra Kalachnikov 4 ireo mpanafika, ary avy dia nanao tifitra variraraka avy hatrany tany amin'ireo mpanara-dia. Tsy afa-nanohitra ireto farany noho izy ireo tsy ampy fitaovana, ka nafoy tany ny omby 25. Hatramin'ny faran'ny taona izao dia efa omby 96 no lasan'ny dahalo tany amin'ny faritr'Ankazoabo. Tsy eto an-drenivohitra ihany no mahasahy manohitra ny jiolahy fa saika manerana ny Nosy mihitsy. Ary saika manana fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa izy ireo, izay mbola tsy fantatra hatramin'izao ny tena fihaviany.
Aina R.


649midi-mg-000762-1392-06022008 Sinoa no maniraka ny mpiasa hangalatra
Sinoa no maniraka ny mpiasa hangalatra
  Tamin'ny herinandro lasa iny dia nisy halatra niseho tao amina orinasa afakaba iray teny Ambohibao. Efa nahazo milina miisa folo mahery ireo mpangalatra ireo ary mbola nitetika ny hamoaka hafa avy ao anaty orinasa no henon'ny mpiambina. Rehefa velona ny fanairana dia lasa nandositra niaraka tamin'ireo zavatra efa azony ry zalahy. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana isan-karazany ka nisy tratra tamin'ireo mpangalatra ireo. Tamin'ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa Sinoa anisan'ny mpiasa ao ihany no naniraka mpiasa hafa hanao ny halatra. Tamin'ny alatsinainy teo no nandalo teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana ny olona enina, Sinoa roa ary Malagasy efatra. Efa fotoana elaela ihany izay no nisy nandrahona ny hamaky io orinasa io. Nampandre ny zandary ny tompony ary dia toa nasiana mpitandro ny filaminana tao an-toerana hanamafisana ny fiambenana. Tamin'iny herinandro iny vao notanterahin-dry zalahy ny zavatra nolazainy. r.s.


649midi-mg-000763-1393-06022008 Mandrapaka mpandalo ny voay
Mandrapaka mpandalo ny voay
  Efa akaiky ho tafita ilay tetezan-kely fiampitana eo amin'ny lakandrano iray akaikin'ny renirano Ampanobe ao Antsivolanana ny zazalahy kely iray no narapaky ny voay ny ilan-tongony. Tsy nahazo tsara anefa ny nifin'ilay biby satria nibolisatra ilay zaza ary nianjera. Araka ny fitantarany, efa teny an-tanety ny tongony iray, fa ny faharoa, izay nokaikerin'ny voay, mbola teo ambony tetezana. Teo amin'ny kibon-dranjony no niantefa ny kaikitra. Nisolifatra fotsiny anefa izany. Rehefa nojerena kosa dia hita teo ny dia-nify marobe. Nentina tany amin'ny hopitaly haingana notsaboina ny fery. Niaraka tamin'ny reniny hamonjy fodiana ity zaza ity no sendra io voay io. Tsy nifanakaiky anefa izy mianaka fa somary taty aoriana kely ramatoa. Rehefa nandalo teo amin'ilay toerana izy dia mbola hitany tao anaty rano tao ilay biby, izay an-keviny mbola niandry izay ho arapaka satria votsitra ilay voalohany. Tany amin'ny tanàna atao hoe Antsarabaria no nisian'ity zavatra ity tamin'ny faha-28 janoary teo. Arak'izany, tokony hitandrina tsara avokoa izay rehetra mampiasa an'io tetezan-kely io amin'ny manaraka. Anisan'ny biby tena fetsy tokoa ireny voay ireny.
Remi R.


649midi-mg-000764-1394-06022008 Novonoiny ho faty ny sipan-janany
Novonoiny ho faty ny sipan-janany
  Amin'ny andro antoandrobe nanahary ary teo imason'olona no nanatontosany izany. Nenjehany, notsindroniny zava-maranitra ary tsy namelany raha tsy lavo tanteraka ilay tovolahy. Tsy iza io farany fa sakaizan-janany, araka ny vaovao. Ny zoma teo no nitrangan'izany teto amin'ny kartie iray eto an-drenivohitra. Nezahina navotana tany amin'ny toeram-pitsaboana ilay naratra saingy tsy naharitra ela taorian'ny nahatongavany tany dia tapitra ny ainy. Manoloana izany rehetra izany, dia nitsoaka ilay raim-pianakaviana. Hatramin'ny omaly, fotoana nangalanay vaovao teo anivon'ny mpitandro filaminana, dia mbola tsy hita izay nanjavonany.
Tadiavina
Fantatra ihany koa fa efa manana dosie eny amin'ny tribonaly io rangahy io. Efa nigadra izy, araka ny filazan'izay mahafantatra azy. Vao tamin'ny herintaona aza izy no nivoaka, hoy ihany ireo manazava. Fa ny somary nahatalanjona dia ny fahafantarana fa efa samy ampy taona avokoa na ilay tovolahy na ilay sakaizany. Izany hoe, tsy misy azo anenjehan'ilay rangahy azy ireo intsony, raha araka ny lalàna. Asa izany angamba no nitarika azy ho nandray io fanapahan-kevitra hikasi-tanana io, izay indrisy fa niafara tamin'ny fahafatesana. Mandeha ny fitadiavana azy ankehitriny.
D.R


674midi-mg-000790-1459-08022008 Nivoaka hiasa, ny fatiny sisa no hita
Nivoaka hiasa, ny fatiny sisa no hita
  Lehilahy roa no nivoaka ny trano handeha hiasa any an-tsaha andro maromaro lasa izay. Ary dia izay no nahitan'ny fianakaviany azy. Tamin'ny alarobia teo no hita izy ireo, na ny marina kokoa, ny fatiny. Efa potika ny razana tamin'ny fahitana azy. Raha ny tombantombana dia nisy namono izy ireo. Tamin'ny andro nandehahana'izy ireo hiasa dia tsy nisy nanampo na inona na inona ny fianakaviana satria fanaony isan'andro izany. Tany amin'ny toerana antsoina hoe Fahagoma, tokony ho 10 km avaratr'i Tsiroanomandidy, izy ireo no niantsaha. Tsy tonga namonjy fodiana anefa nony hariva ny andro. Ny iray 45 taona ary ny faharoa 31 taona. Mpihavana ireto olona ireto. Ny ampitson'ny tsy nahitana azy no nanomboka nikaroka ny fianakaviana. Ny satrok'izy ireo no hita teo amin'ny toerana tokony ho niasany. Nalefa ny filazana isan-karazany tamin'ny onjam-peo samihafa saingy tsy nisy vokany izany. Tamin'ny alarobia no nisy nahita ny razana ary efa simba be mihitsy. Tsy maintsy nalevina omaly ireto olona ireto. Talohan'izany anefa dia natao autopsie. Mipetraka ny fanontaniana amin'izao fotoana izao : nisy namono tokoa ve ireto olona ireto, ary raha izany inona no antony? Efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana. Vao iray volana lasa izay, dia efa nisy fatin'olona simba hita tany an-tsaha. Ity olona ity anefa voalaza fa tsy salama saina.
H.J.


674midi-mg-000791-1460-08022008 Zaza maty nihinana poizim-boalavo
Zaza maty nihinana poizim-boalavo
  Zaza roa no fantatra fa maty noho ny fihinanana poizim-boalavo tany amin'ny tanàna atoa hoe Antsahamadio, kaominina Ampanefena any Vohémar. Tamin'ny sakafo nohanin'izy ireo no voalaza fa toa nisy nanafangaro izany fanafody izany. Ny dokotera teny amin'ny hopitaly nandinika ny razana no nilaza fa io poizina io no nitarika ny fahafatesan'ireto ankizy ireto. Nandeha maraina hiasa any an-tsaha ny ray aman-drenin'izy ireo. Namelana sakafo araka izany ireo zaza, 6 taona ny zokiny indrindra ary 2 taona ny zandriny. Amin'ny maha zaza azy dia tsy nipetraka tao an-trano izy ireo fa lasa nilalao niaraka tamin'ny ankizy hafa. Ankeviny ho tamin'izay no nisy olon-tsy fantatra niditra tao an-tranony. Niverina ireo ankizy rehefa nahatsiaro noana. Ny zokiny roa no avy hatrany dia nisakafo fa ilay zandriny indrindra lasa natory. Raha vao avy nihinana elaela anefa izy ireo dia nalemilemy. Mpifanolo-bodirindrina no nahatsikaritra izany. Nantsoina haingana ny ray aman-dreniny. Nentina avy hatrany tany amin'ny hopitaly izy roa voa ireo. Vao tonga teny amin'ny trano fitsaboana anefa dia maty ny iray voalohany. Taoriana kely dia tapitra koa ny ain'ilay faharoa. Ny filazan'ny manodidina dia nanamafy fa tsy nihinana zavatra hafa mihitsy ireo zaza ireo tany am-pilalaovana tany. Ireo sakafo navela tao an-trano kosa tapitra laniny avokoa. Tamin'ny taon-dasa dia efa nisy fahafatesana sahala amin'izao tao amin'io tanàna io. Poizim-boalavo koa no nahafaty olona. Misy lehilahy iray izany ahiahian'ny olona maro ao an-tanàna ho tompon'antoka amin'izao fanapoizinana izao. Tsy misy sahy manondro azy mivantana anefa.
Remi R.


674midi-mg-000792-1461-08022008 Tsy ampy taona mamaky trano
Tsy ampy taona mamaky trano
  Roalahy tsy mbola ampy taona, 15 sy 17 taona, no tratra namaky trano teny Ambohiniarivo Antsirabe II tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Sekoly roa sy trano telo no novakiany. Very tamin'izany ny famantaran'andro mipeta-drindrina miisa roa, sy boky maro tao amin'ireo sekoly, ary kojakoja an-dakozia samihafa. Nandeha ny fikarohana. Asa na mahina tamin'ny zavatra nataony izy roalahy ireto ka nanao fihetsika hafahafa. Tsy nisalasala ny olona nanatona azy ireo ary nanao fisavana tany amin'ny tranony. Hita tao avokoa ireo entana very rehetra. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, fantatry ny ray aman-dreniny ve ny zavatra nataon'ireo zanany ireo. Etsy andanin'izany, mirongatra ihany koa ny hala-botry sy ny vaky trano eny Andafiatsimon'ny STAR. Iny toerana iny dia malaza ho filokana, indrindra ho an'ireo tsy an'asa. Araka izany dia voalaza fa misy ifandraisany tokoa ny vaky trano sy ny loka.
Lova


674midi-mg-000793-1462-08022008 Voatsatoka antsy in-telo tao an-damosiny
67 Ha. Avy niaraka tamin'ny namany ary hamonjy fodiana no nisy nanakana tao anelakelan-trano. Avy dia nandositra ireo mpanafika vao nahavoa.
Voatsatoka antsy in-telo tao an-damosiny
Tsatok'antsy in-telo tao an-damosiny, niampy iray teto anoloana. Ireo no indray nahazo ity tovolahy iray raha hamonjy fodiana teny amin'ny 67 Ha ny alin'ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 9 ora latsaka. Avy niaraka tamin'ny namany teny Analakely izy ary handeha hody no sendra izao loza izao. Raha hiditra ny elakelan-trano, tsy dia lavitra loatra ny tranony izy, no nisy telolahy nivoaka tampoka, ka ny iray nisakana ny lalany ary ny roa avy ao aoriana. Tsy nisy resaka fa avy dia nanatsatoka antsy azy. In-telo voatsatoka tao an-damosiny ary in-dray teo amin'ny tratrany. Tsy naka na inona na inona ireo mpanafika fa avy dia nandositra. Ilay tovolahy kosa tsy nahatsiaro tena, ka olona sendra nandalo ary mahafantatra azy no niantso ny tao an-trano sy nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Tsy mbola fantatra mazava hatramin'izao ny tena anton'ny famonoana ity tovolahy ity. Ilay tovolahy koa tsy nahita ny tarehin'ireo mpanafika satria samy tao anatin'ny haizina. Mbola manaraka fitsaboana izy hatramin'izao.
Tsaralalàna
Mbola resaka tsatok'antsy izay ihany. Tovolahy iray, 29 taona, no nisy nanatsatoka antsy teo anoloan'ny BFV Tsaralalàna, ny alakamisy hariva teo. Avy eny Mahamasina izy ary hamonjy fodiana eny Antanimena. Tsy nisy resaka fa avy dia nanindrona antsy ireo mpanendaka ary naka ny vola teny aminy. Teo amin'ny kibony no voatrobaka, ka nivoraka hatramin'ny tsinainy. Netina teny amin'ny HJRA ilay niharan-doza, ka tsy maintsy niatrika fandidiana avy hatrany. Efa mihatsara ny fahasalamany amin'izao fotoana izao, ary tsy atahorana ny ainy. Manoloana izao zava-mitranga izao dia misy ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana mba hahitana ireo olon-dratsy.
Aina R.


717midi-mg-000837-1513-09022008 Tahotra kelibetratra, tsy mety mianatra ireo ankizy
Tahotra kelibetratra, tsy mety mianatra ireo ankizy
  Tsy nety nandeha nianatra mihitsy ireo ankizy tany amin'ny tanàna iray atao hoe Maroadabo any Andilamena noho ny tahotra biby anankiray antsoina hoe kely betratra. Sahiran-tsaina ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin'ireo ankizy. Tsy maintsy nitady hevitra hamerenana ireo mpianatra any an-tsekoly anefa. Nifamory ny iray tanàna ka tapaka fa hamono omby iray mazava loha atao joro. Taorian'izany vao nety niverina nianatra indray ireo ankizy. Tamin'ny faha-22 janoary no voalaza fa nahitan'ny ankizy io biby io. Niverina indray anefa izany ny ampitso, izany hoe ny faha-23 janoary. Raiki-tahotra avokoa ireo mpianatra. Nilaza tamin'ny mpampianatra izy ireo nefa, araka ny vaovao, tsy mba nahita izany zavatra izany ireo farany. Nanomboka teo, nikomy ny ankizy ary tsy nety nandeha nianatra intsony. Feno lobolobo sy kirihitra manodidina ilay sekoly ary ankeviny ho nivoaka avy ao ilay fahitana. Tena nisy ve ilay zavatra sa tsia? Ny mahagaga anefa, ireo mpianatra ihany no mahita izany. Any ambanivohitra lavitra ny tanàn-dehibe any, mora handairana tsaho koa ny olona indrindra fa ny ankizy ka raha vao misy zavatra tsy fandre na tsy fahita andavanandro, dia loza na fambara loza izany. Rehefa nandray ny andrikiny ny fokonolona sy mpampianatra dia io nanaovana joro io. Nodiovina ihany koa ireo lobolobo manodidina ny sekoly. Amin'izany, mandry ny sain'ny ankizy. Raha ity resaka biby antsoina hoe kely betratra ity, dia maro ny faritra naharenesana ny fisiany. Ao ireo milaza fa ny biby fiompy no tena hazain'izy io. Ao koa anefa ireo miteny fa na hatramin'ny olona aza fafazany raha manakana azy amin'ny fakana ny akoho amam-borona. Biby mitovy amin'ny alika, hono izy io, mivelatra be ny tratrany ary manana tanjaka manokana izy amin'izany. Ny volony, mitovitovy amin'ny fosa, somary matroka izay.
r.s.  


717midi-mg-000838-1514-09022008 Kômôrianina 4 nalefa etsy Antanimora
Kômôrianina 4 nalefa etsy Antanimora
Naiditra am-ponja etsy Antanimora omaly ireo Kômôrianina efatra rehefa tsy ara-dalàna ny visas ahazoan'izy ireo mijanona ety Madagasikara. Toa ireo naman'izy ireo maro izay efa nosamborina, notazonina vonjimaika am-ponja ary naverina any an-tanindrazany. Amin'ny alatsinainy izao izy ireo no hotsaraina etsy Anosy, araka ny vaovao azo teny amin'ny tribonaly. Ao amin'ny efitra fahenina, raha araka ny fanazavana hatrany. Isan'ny vaindohan-draharahan'ny Fanjakana ny fandroahana ireo vahiny tsy ara-dalàna eto amintsika.   
  Raharaham-bahiny
    Isan'ny voakasika manokana amin'izany ny teratany Kômôrianina. Porofon'izany, efa an-jatony no nampodiana tany amin'ny taniny, hatramin'ny tapatapaky ny taon-dasa teo. Mbola mitohy hatramin'izao aza izany. Raha tsy hiteny afats'ireo efa-dahy nosamborina ireo. Saika niteraka olana teo anivon'ny firenena roa tonta mihitsy ity resaka fandroahana ity raha tsy hiteny afa-tsy ny fidinan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny kômôrianina teto Madagasikara tamin'ny faramparan'ny taon-dasa teo.
Didi R.    


725midi-mg-000847-1524-11022008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Andranotapahina. Zaza 13 maty an-drano. Efa hatramin'ny asabotsy teo no tsy hitan'ny raiamandreniny ity tovolahy kely ity. Handeha hanjono no nialany tao an-trano ary tsy niverina intsony izy. Nametraka fitoriana tany amin'ny borigadin'ny zandarimaria Talatamaty ny fianakaviany, ka omaly no nisy nahita teny afovoan-drano ny lakana nentiny. Nantsoin'ny zandary ny mpamonjy voina. Ka rehefa natao ny fikarohana dia hita tao ambanin'ny lakana ny fatin'ity tovolahy vao 13 taona ity.
 - Ambohimangakely. Olona mianaka nianjeran'ny trano. Mbola vokatry ny fijojon'ny orana ihany. Tsy nahatanty ny hamandoana ny tranon'izy mianaka ka nirodana. Naratra mafy ilay zazakely ary ny reniny kosa nisy tapaka ny taolamaojany. Efa nentin'ny fokonolona teny amin'ny hopitaly izy mianaka.
 - Antsohihy. Tovovavy 18 taona maty nofahon'ny kamiao. Ny faran'ny herinandro teo no nisehoan'ny loza tao an-tampon-tananan'Antsohihy. Nitondra bisikileta ilay tovovavy no voafaokan'ity fiarabe ity. Maty tsy tra-drano rakalakely satria tena naratra mafy tokoa. Efa eo am-pelatanan'ny mpitadro filaminana ilay mpamily.



725midi-mg-000848-1525-11022008 Tovovavy nosamborina vao niverina teto Madagasikara
Anosy. Fanodinkodinam-bola no antony. Nahazo amina miliara izy dia nitsoaka tany ivelany. Saingy vao niverina teto dia sarona...
Tovovavy nosamborina vao niverina teto Madagasikara
Nitsoaka tany an-dafy izy rehefa nahazo betsaka teto Madagasikara. Mpiasa eo anivon'ny orinasa iray mpivarotra fiara ity vehivavy ity. Mbola tena ao anatin'ny fahatanorany ary manana endrika ihany koa. Mazava loatra raha nanamora sy nitondra fahombiazana ho an'ny asany izany. Raha ny marina mantsy dia ilaina ireo akora raha vao miresaka varotra, sampana izay misy azy rahateo amin'ny asany. Raha ny fifanarahany sy ny toeram-piasany dia mahazo ampahany isaky ny fiara lafony izy. Nandeha tsara izany. Nitondra harena ho azy mihitsy aza satria nahalafo fiara marobe ny tenany manerana an'i Madagasikara. Izany fahombiazana izany indrindra no heverina fa nampitsiry ny hevi-dratsy tao aminy: nahodiny ny ampaham-bola vidin'ny fiara lafony.
Fitoriana nitsimbadika
Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia manao taratasim-bola sy taratasy hosoka izy milaza fa haloan'ny mpividy tsikelikely ny vola (...) nefa efa azony avokoa izany (...) mody manatitra kely any amin'ny orinasa izy mba tsy hampisy fanahiana ny lehibeny (...) nitambatambatra ny vola dia iny izy no tsy hita. Vola izay heverina fa efa tafiakatra amina miliara no voahodiny satria ireny fiara fiarabe ireny no amidy. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia hita ihany ny lavaka tao anatin'ny kaontim-bola. Mazava loatra fa nitondra ny raharaha teny anivon'ny Fitsarana ny orinasa. Teo anefa dia nivadika ny rasa: izy indray no nitory ny lehibeny noho ny fanararaotam-pahefana mba hahazoana firaisana ara-nofo. Nampifamahofaho ny raharaha izany.
Didy fampisamborana
Lasa nirona tamin'io lafiny io indray mantsy ny zava-drehetra, indrindra fa ny raharaham-pitsarana. Tao anatin'izay indrindra no nanararaotan'ity tovovavy ity nisintaka an'i Madagasikara. Tsy niverina intsony izy raha tsy tamin'ny faramparan'ny taona teo, mba hiaraka hanao fety amin'ny fianakaviany. Safidy izay indrisy fa tsy dia nanambina azy loatra: saron'ny zandary tetsy Anosy izy tamin'ny herinandro teo. Tsy nisy resaka intsony fa avy hatrany dia nosamborina ary nentina teny amin'ny tobin'ny mpitandro ny filaminana. Tsy dia nisy fanadihadiana be loatra intsony. Ny antony dia efa nisy didy fampisamborana navoakan'ny Fampanoavana momba ity vehivavy ity. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora io farany. Mazava ho azy fa hisokatra indray ny fanadihadian'ny Fitsarana momba azy. 
Lire aussi
Tapatapany
 
D.R 


725midi-mg-000849-1526-11022008 Entan'ny orinasa mitentina 90 tapitrisa nanjavona
MANAKARA
Entan'ny orinasa mitentina 90 tapitrisa nanjavona
Halatra niseho tao amina orinasa iray mpanao lalana any Manakara volana vitsy lasa izay. Kodiarana vaovao, vy, simenitra sy fitaovana maro hafa ampiasain'ny orinasa amin'ny fanamboaran-dalana sy tetezana, mitentina hatrany amin'ny 90 tapitrisa no nisy nangalatra. Nametraka fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana ny tomponandraikitry ny orinasa ary natao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany ka ny 8 febroary lasa teo no voasambotra ny 7 tamin'ireo mpangalatra. Mbola nisy ambiny tamin'ireo fitaovana very no tratra tany amin'izy fito lahy ireto, toy ny kodiarana sy vy vitsivitsy. Ankoatr'izay dia mbola manohy ny famotorany ny mpitandro filaminana satria mbola misy olona hafa karohina, izay tsy iza fa naman'ireto mpangalatra ireto ihany.
Miray tsikombakomba
Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro filaminana dia misy amin'ireo mpiasan'ny orinasa ihany no miray tsikombakomba amin'ireo mpangalatra ka mamoaka tsikelikely ny entana. Rehefa nataon'ny tomponandraikitra ny tombantombana dia izao tafakatra hatrany amin'ny 90 tapitrisa Ia izao ny tentim-bidin'ny entana very. Mbola misy fizahana manokana ataon'ny tompon'ny orinasa mba hahitana ireo mpiasa miray tsikombakomba amin'ny mpangalatra ireo. Ny mpitandro filaminana koa etsy andaniny mikaroka ireo mpandray ny entana.
Marihina fa ity orinasa nitrangan'ny halatra fitaovana ity no isan'ny niantoka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Irondro sy Manakara ka hatrany Farafangana.



737midi-mg-000862-1539-11022008 Les résultats
Championnats de Madagascar de Cross-country
Les résultats
Minimes filles (3km)
1- Fleur Soa (COSRM 52 Sakaraha) : 11'30''1
2- Marie-Thérèse Crown (CABEVA) : 11'32''8
3- Rasoavinjanahary Joachim (TAF) : 11'35''8
Minimes garcons (4km)
1- Lambo Soalia (COSRM 52 Sakaraha) : 12'02''1
2-Rakotonjanahary Mamitiana ( PMS): 12'06''5
3- Emanelo Ralaimiraoka Donald (COSRM 52 Sakaraha): 12'14''3
Cadettes (4km)
1- Rasoanantenaina Sabine (USA): 13'51''7
2- Mamiarisoa Alice (VIF) : 13'54''7
3- Razafinambinina Lalanirina Adéline (VIF) : 13'58''0
Cadets (6km)
1- Rasonaivo Herizo Rina (TAF) : 19'26''4
2- Rabialahy Jean Aimé (VIF): 19'29''5
3- Arisily Toky Adrien Aimé (CNAPS) : 19'36''6
Juniors filles (6km)
1- Ramanantenasoa Marinah (FFFA): 21'18''2
2- Rasoamanarivo Marie Jeanne (TAFARAY): 22'07''3
3-Nambinintsoa Nivo Mireille (CAF) : 22'27''7
Juniors garçons (8km)
1- Andriamifidy Tojonirina (3FB) : 25'49''8
2- Rabenitany Hery Tija (CNAPS): 26'21''9
3- Mosa Christian (COSRM 52 Sakaraha): 27'27''4
Seniors dames (8km)
1- Harisoa Emma (CABEVA): 31'09''8
2- Raverohantamalala Jocelyne (COSPN): 32'01''7
3- Ravaoarimalala Holiniaina Rinah (3FB): 32'08''3
Seniors hommes (12km)
1- Randriasoalaza Prosper Vincent (COSFA) : 36'01''1
2- Andriamparany Hajanirina (COSFA):  36'19''1
3- Randrianarison Fabien (CABEVA): 36'39''9
Cahier Sports 

742midi-mg-000868-1550-12022008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
   - Vohémar. Jiolahy maty voatifitra. Jiolahy iray no maty voatifitry ny olona ary iray hafa naratra voa teo amin'ny sorony havanana. Tany amin'ny tanàna antsoina hoe Analanana, kaominina Tsarabaria any Vohemar no niseho ny fanafihan-jiolahy mitam-basy, ny zoma teo. Nanao rodobe ireo mpandroba. Olona iray no nosamborina ary nasaina niantso mpivarotra. Rehefa izany dia nentin'ireo jiolahy niaraka taminy namoha trano maromaro izy roa ireo. Entana maro no efa azony tamin'izany. Tamin'izay indrindra no voatifitra ny roa tamin'izy ireo. Tafatsoaka kosa ny namany niaraka tamin'ilay naratra. Rehefa maraina, narahana ny rà raraka tamin'ny tany ka voasambotra io naratra io.  
 - Mananara. Gadra dimy tafatsoaka ny fonja. Gadra mbola tazonina vonjimaika noho ny firaisana tsikombakomba amin'olon-dratsy izy 5 lahy ireto. Ny sabotsy teo, tamin'ny 10 ora maraina izy ireo no nitsoaka, nihanika ny tamboho ary tafaporitsaka. Mbola tsy hita izay nanjavonany hatramin'izao. Marihina fa 6 fotsiny ny isan'ny mpiandry fonja any an-toerana, ny gadra anefa efa an-jatony mahery. Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo hatramin'izao.
Nangonin'i r.s


743midi-mg-000870-1552-12022008 Nofirainy tamin'ny antsy ny tendan'ilay vahiny
Mananjary.
Nofirainy tamin'ny antsy ny tendan'ilay vahiny
Lehilahy iray 40 taona no nofiraina tamin'ny antsy teo amin'ny tendany sy ny tongony. Tsy nahafaty ilay olona anefa izany. Afaka niantso olona nitondra azy tany amin'ny hopitaly izy ary nahazo fitsaboana haingana. Tany amin'ny tanàna atao hoe Ampitamalandy, fokontany Antaviranambo, kaominina Marofototra no nisy izany tamin'ny faha-20 janoary teo. Sendra alina teo amin'io tanàna io ilay lehilahy ka nivahiny tao aman'olona. Hitan'ny tompon-trano, lehilahy 65 taona, fa nisy vola tao anaty sakaosiny koa dia nanita-kevitra izy sy ny zanany vavy, 30 taona, fa ho robaina io vahiny io. Rehefa sondrian-tory ilay olona dia io nokapainy antsy io. Rehefa izany dia nalainy ny vola Ar. 96 000. Raha vao azony izany dia lasa nandositra izy ireo niaraka amin'ny zazakely iray. Noheverin'izy ireo fa maty ilay vahiny. Afaka nanatona olona teo an-tanàna ihany anefa io farany.
Rehefa maraina, natao avy hatrany ny fikarohana ireo mpamono olona. Tsy hita anefa izay nalehan'izy ireo hatramin'izao. Efa mandeha ny fitadiavana ataon'ny zandary.
HAR


743midi-mg-000871-1553-12022008 Kaomôrianina, mbola mpianatra tratra nanao vola sandoka
MAHAJANGA. Saika hamitaka renim-pianakaviana iray tamina vola 10.000 Ar izy roalahy no izao voasambotry ny mpitandro filaminana izao.
Kaomôrianina, mbola mpianatra tratra nanao vola sandoka
  Ny sabotsy lasa teo no voasambotry ny mpitandro filaminana tao amina hotely iray tao Mahabibokely - Mahajanga ireo Kaomôrianina roalahy mpanao vola sandoka. Saika hisoloky renim-pianakaviana iray tamina vola 10.000 Ar sandoka izy roalahy no izao voasambotra izao. Nilaza tamin'ilay ramatoa izy roalahy fa afaka manamboatra ravim-bola 10.000 Ar marobe. Ary ho takalon'izany dia manome 15 tapitrisa azy roalahy ilay ramatoa. Tsy nanaiky avy hatrany anefa ilay olona fa nilaza mbola hieritreritra ary hiverina amin'ny manaraka. Teo ihany izy dia nandeha nametraka fitoriana sy nampandre ny mpitandro filaminana. Nosavaina ny hotely nipetrahan'izy roalahy ka nahitana valizy roa misy fitaovana maro fanamboarana vola sandoka, toy ny asidra sy ranon-javatra hafahafa ary taratasy efa vita tapaka mitovy didy amin'ny vola 10.000 Ar. teo no ho eo ihany izy roalahy dia nentina nankany amin'ny birao hanaovana fanadihadiana. Nandritra ny famotorana natao no nahafantarana fa hay mbola mpianatra ny iray amin'izy roalahy mpanao vola sandoka ireto. Raha ny fandinihana nataon'ny mpanao famotorana dia efa betsaka ihany ny olona efa voan'izy ireo. Nampandrenesin'ny tomponandraikitra ny vahoaka any an-toerana mba ho mailo satria mety ho efa misy miparitaka eny an-tsena eny ny sasany amin'ireny vola sandoka ireny. Nampitandrina ny rehetra ihany koa izy ireo mba tsy ho voafitaky ny olon-dratsy amin'ny toe-javatra toy izao.
Aina R.


778midi-mg-000907-1626-14022008 Vonoan'olona: mbola tsy milamina ny raharaha Ambohitsara
Mananjary
Vonoan'olona: mbola tsy milamina ny raharaha Ambohitsara
Olona maherin'ny folo no nosamborina mikasika ilay raharaha namonoan'ny sasany tamin'ny fomba feno habibiana ireo olona efatra tany Ambohitsara any Mananjary. Tamin'ny fotoana famaranana ny Sambatra no nisy ity zavatra nampalahelo ity. Amin'izao fotoana izao, na dia efa misy aza ny karazana fifanatonana samihafa dia hita fa toa mbola ho lavitra ihany ny fahitana ny vahaolana.
Fihavanana
Rehefa samy tony mantsy ny rehetra dia nandefa taratasy tany amin'ny Ampanjaka 12 any Mananjary ny Ampanjaka 12 avy any Ambohitsara. Novakiana tamin'ny fahitalavitra tao Mananjary izany taratasy izany ka famindram-pihavanana sy fiekena ny fahadisoana vita no tena vontoatiny. Tsy misy olana amin-dry zareo Ampanjaka avy ao Mananjary ny hanaovana ny fampihavanana amin'ny fomban-drazana. Antsoina hoe tete rà na koa fafy tany izany fomba izany. Etsy andaniny, manaiky ny mpitandro filaminana any an-toerana fa raha raikitra izany dia vonona ry zareo amin'ny fitandroana tanteraka ny filaminana. Toa mbola tsy ho ato ho ato anefa izany satria voalaza fa ny volana febroary dia tsy azo anaovana io fomba io satria volana tsy feno. Tsy maintsy miandry ny volana marsa vao azo tanterahina ilay izy.
Fotoam-pivavahana
Ho an'ireo ray aman-drenin'ireo ankizy telo maty kosa dia hafa ny heviny. Tsy mandà velively ny hanaovana ny famindram-pihavanana eo amin'ny mponin'i Mananjary sy Ambohitsara ry zareo. Notsindriany kosa anefa fa ireo zanany efa latsa-drà dia tsy tokony ho tononina akory amin'izany na hanaovana lanonana. Miahiahy koa ry zareo ny amin'ny filaminana, ho voafehy ve izany eo anatrehan'ny toe-javatra misy. Raha sanatria mitsimbadika ny fandehan-javatra rehefa tsy voafehy dia sao mifototra any amin-dry zareo. Manahy ny hisian'ny korontana ireo ray aman-dreny ireo. Amin-dry zareo dia fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no tokony hatao amin'izany. Mikasa ny hanao lamesa ho an'ireo tanora telo namoy ny ainy, amin'ny faran'ny herinandro, ny fianakaviany. Nandritra ny famaranana ny Sambatra tany Ambohitsara no nitrangan'ilay famonoana zatovo tamin'ny fomba feno habibiana. Efatra no indray maty tamin'izany. Teny ambony kianja filalaovana no nisian'izany ary hitan'ny olona rehetra.
HAR


778midi-mg-000908-1627-14022008 Jiolahy telo matin'ny fokonolona
Jiolahy telo matin'ny fokonolona
  Jiolahy miisa telo no fantatra fa matin'ny mponina tao amin'ny tanàna atao hoe Analanana, kaominina Tsarabaria any Vohémar. Voatifitra avokoa izy ireo. Tamin'ny zoma faha-8 febroary teo dia tonga nanafika tao amin'io tanàna io ny andian-jiolahy voalaza fa marobe. N aka an-keriny olona iray hatao takalon'aina izy ireo. Iny olona iny no nasainy nandondona tao amin'ny mpivarotra iray. Rehefa teo am-baravarana dia io takalon'aina io no niresaka tamin'ny tompon-trano. Toa efa mahina anefa ilay mpivarotra ka avy hatrany dia basy no narangarangany. Niondrika kely ilay olona ka ny jiolahy nitondra azy no niantefan'ny bala. Tsy nijanona teo fa naka olona iray hafa indray ireo mpandroba. Nisy nahita izany ka io no sahy nitifitra. Jiolahy roa no voany tamin'izany. Ny iray lavo teo noho eo, ny faharoa teo amin'ny sorony no niantefan'ny bala ka afa-nandositra. Narahina ny rà latsaka teny amin'ny lalana nalehany ka tratra tao an-tranon'olona izy. Nosamborina avy hatrany. Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa namoy ny ainy ihany koa izy io. Telo arak'izany ny jiolahy maty.
Remi R.


780midi-mg-000911-1630-14022008 Mpivarotra toaka gasy sy zandary: saika rotaka
Mpivarotra toaka gasy sy zandary: saika rotaka
  Saika teraka ny rotaka teo amin'ireo mpivarotra toaka gasy, na ny marina kokoa mpikarama maka toaka gasy, sy ny zandary tany amin'ny tanàna atao hoe Ambohitsinanana, kaominina Miadanandriana. Nandray ny andraikiny ny sefom-pokontany tany an-toerana tamin'ny fandaminana izany ka dia samy tony ihany ny roa tonta. Tamin'ny talata tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany tolakandro no niseho io zavatra io. Mpitondra toaka miisa hatrany amin'ny 15 any, nanana 10 litatra avy, no nosakanan'ny zandary avy ao Masindray Ankadinandriana. Tsy nanaiky ho samborina mihitsy anefa ireo olona ireo ary nampiakatra feo hatramin'ny farany sady toa nilaza fa afaka mifampitana tsara tokoa amin'ireo mpitandro filaminana ireo. Be noho vitsy koa moa. Tamin'izay fotoana izay dia tsy maintsy nanao fanelanelanana ny sefom-pokontany. Ity farany no niangavy ireo mpikarama mba hiparitaka tsikelikely sy tsy hamaly ireo zandary. Raha sanatria tokoa misy fahavoazan'ireo mpitandro filaminana ireo dia tsy ho vita mora ny raharaha. Ho an'ireo mpitandro filaminana indray dia tsy nisalasala ingahy tomponandrikitra nanome hevitra azy ireo ny amin'ny tokony hakany renfort. Tamin'ny farany, voalazan'ny vaovao fa samy nihataka ihany ny roa tonta. Avy any amoron'ala atsinanana no angalana ireo toaka voarara ireo. Manao andiany ireo mpitondra azy, indraindray misy hatrany amin'ny roapolo any.
r.s.


780midi-mg-000912-1631-14022008 FLASH-ECO :
FLASH-ECO :
Economie 

805midi-mg-000938-1659-15022008 Tratra teny amin'ny Petite Vitesse ilay nanendaka mpanao gazety
Asan-jiolahy
Tratra teny amin'ny Petite Vitesse ilay nanendaka mpanao gazety
Omaly maraina no nametraka ny fitoriana tany amin'ny polisy ny mpanao gazety namana voaendaka teny Ambodivona tamin'ny tamin'ny alarobia alina tokony ho tamin'ny 8 ora. Rehefa izany dia nidina teny amin'ny faritry ny Petite Vitesse izy niaraka tamin'ny polisy. Tamin'izany no nahitany ny iray tamin'ireo namely azy. Finday halatra iray no teny aminy ary saika hivarotra izany ity mpangalatra ity izao tratra izao. Avy hatrany dia nosamborina teo noho eo ihany ity jiolahy ity. Ireo namany roalahy kosa mbola karohina amin'izao fotoana izao.
Tamin'ny alarobia hariva tokony ho tany amin'ny 8 ora tany dia voaendaka teo Ambodivona ny mpanao gazety iray miasa amin'ny Hebdo de Madagascar rehefa avy niasa teny Ankorondrano ka hamonjy fodiana eny Manjakaray. Lasa tamin'izany ny kitapo iray nisy antontan-taratasy maro, telefaonina finday miisa telo sy fakantsary niomerika iray. Araka ny voalazany dia telo lahy nitondra basy sy big boss no nanendaka azy.
Nibeda azy avy ao aoriana ny iray; nipoitra koa ny lehilahy faharoa niaraka tamin'ny basy; nazeran'ireo tamin'ny tany izy avy eo. Tamin'izay fotoana izay, nisy lehilahy fahatelo avy hatrany dia nitifitra big boss azy sady niteny ratsy, araka ny fitantarany ihany.
Lasan'ireo mpanendaka ireo ny zavatra teny aminy. Tsy nijanoina teo ireo jiolahy fa nikasa haka ny gourmette teny an-tanany ihany koa. Niantso vonjeo ity namana mpanao gazety ity ka vory ny olona. Raha vao nahare ny antso vonjy ireo mpanendaka dia namonjy ny elakelatrano mihazo ny trano fiasan'ny Jirama iny.



807midi-mg-000941-1662-15022008 Lehilahy iray maty latsaka tao Ikopa
Tanjombato
Lehilahy iray maty latsaka tao Ikopa
Lehilahy iray no latsaka tany amin'ny ranon'Ikopa eny Tanjombato, teo amin'ny pont Bailey, omaly maraina. Tonga teny an-toerana nikaroka ny razana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna, tamin'ny 11 ora latsaka fahefany. Nandritra ny 15 minitra teo ho eo ny nikarohana ny razana. Nampiakarina an-tanety ilay olona ary nanao izay ho afany teo ireo mpamonjy voina tamin'ny famelomana azy saingy efa tara loatra. Tsy niverina intsony ny ainy. Nilaza koa anefa ireo mpamelona fa tsy nisy fofon-toaka tamin'io olona io.
Maro ny resaka nataon'ny olona mikasika ny fahalatsahan'ity olona ity tao amin'io rano io. Ao ireo nilaza fa latsaka ho azy izy. Ao koa anefa ireo nanamafy fa nitsambikina io olona io. Tamin'ny fotoana nampiakarana ny razana dia mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafiany. Hita tany aminy ihany koa ny taratasy maro nahafantarana azy. Monina eny Tongarivo, Tanjombato izy ary Agent d'administration ao amin'ny Trésor no asany. Napetraka tao amin'ny fokontany ny razana omaly maraina.
Mahery ny rano amin'izao fotoana izao ary tsy misangy mihitsy. Mila mitandrina ny tsirairay.



807midi-mg-000942-1663-15022008 Andro aman'alina ny vaky trano
Antsirabe
Andro aman'alina ny vaky trano
Saika isan'andro no andrenesana vaky trano amin'ny faritra maro eto Antsirabe. Ny mponina eny Amboronomby, Mahazoarivo, Andafiatsimo Star, Antsenakely, 3A ary Ampatana no tena mitondra faisana. Teny Amboronomby, ny alatsinainy teo, dia novakian'ny sasany ny trano iray tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro. Teo amin'ny varavarambe ry zalahy no niditra. Rehefa tafiditra izy ireo dia tapitra nalainy avokoa ny entana rehetra. Anisan'izany ny kojakoja an-dakozia, ny tany an'efitra hafa sy ny volam-barotra. Hatairana ny an'ny tompon-trano rehefa nody avy nivarotra ny hariva. Fongana tanteraka ny entana rehetra. Ny talata ihany dia nisy nivarotra ny ampahany tamin'ireo entana tao an-dakozia. Raha mbola teo am-piantsoana ny tomponandraikitry ny fokontany ny tompony no lasa nandositra ilay nivarotra ary tsy hita izay nalehany.
Lova 


812midi-mg-000948-1669-15022008 TIM face à  Mania Miray hina 
Amoron'i Mania
TIM face à  Mania Miray hina 
Dans la Région Amoron'i Mania, Tiako i Madagasikara aura en face de lui  Mania Miray hina  pour les régionales. Cette dernière regroupe les entités non TIM, au niveau de la Région. Elle va faire bloc pour essayer de barrer la route au parti présidentiel. Pareil à d'autres régions du pays, le parti majoritaire sera ainsi confronté aux indépendants, l'opposition s'étant désistée. Il est à noter que la Région Amoron'i Mania compte quatre districts, à savoir Ambositra, Manandriana, Fandriana et Ambatofinandrahana. 
Recueillis par Dominique R. 
Politique 

848midi-mg-000985-1708-16022008 Feno 30 taona ny eny Tangaina
Zaza kamboty
Feno 30 taona ny eny Tangaina
Hisokatra rahampitso alahady ny fankalazàna ny faha 30 taonan'ny Fikambanana Protestanta Mpanao Soa miahy ireo Zaza kamboty eny Tangaina. Fotoam-pivavahana lehibe ho fankalazàna an'Andriamanitra izay tanterahina ao amin'ny FJKM Atsimon'i Mahamasina no entina manokatra izany fotoan-dehibe izany. Ny teny faneva ho fankalazana dia ny Genesisy 21. 18  Mitsangàna areno ny zaza ka tantano; fa ataoko firenena lehibe izy. Araka ny fanazavàna nomen'ny Pastora Rakotomanana Jean Roussel, Filohan'io fikambanana io, dia miisa 35 amin'izao fotoana izao ny zaza tezaina ao. Isan'ny nahavita be tokoa ny Fikambanana satria dia namokatra olona ambony maro toy ny Mpitandrina, teknisianina ambony...Antsoina araka izany ny mpianakavin'ny finoana sy ireo izay rehetra mahatsapa fa voakasik'ity fankalazàna ity ho tonga maro mandritra io fotoam-pivavahana fanokafana io izay hanomboka amin'ny 9 ora maraina.
R.Edmond


848midi-mg-000986-1709-16022008 Polisy niharan-doza, maty tsy tra-drano
MANAKARA
Polisy niharan-doza, maty tsy tra-drano
Potika tanteraka ny fiara (Golf miloko mainty), ilay manamboninahitry ny polisy nitondra azy kosa maty tsy tra-drano. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao an-tampon-tanànan'i Manakara, ny 13 febroary teo tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Nanoloana ny tobin'ny miaramila (2/RMII) ao Manakara no nitrangan'ny loza. Nidona tamin'ny vodihazo ilay fiara ary potika tanteraka. Efa avy nisotrosotro ity manamboninahitra ity ary nandeha mafy ka izao niharan-doza izao. Izy irery no tao anatin'ilay fiara tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Mitondra ny grady officier principal de police ary mpampianatra ao amin'ny école nationale des agents et inspecteurs la police ao Antsirabe ity manamboninahitra niharan-doza ity. Niala sasatra tany Manakara izy no izao niharan-doza izao. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana.
Aina R


849midi-mg-000988-1711-16022008  
 
  Toran-kovitra avokoa ireo rehetra nahita ny zavatra nataon'ity adala ity tetsy amin'ny tanànan'Alarobia, omaly. Nopotehiny ny pare brise-na fiara iray ka niparitaka tanteraka. Lehilahy iray ihany koa no naratra mafy rehefa nodarohany sy nohitsahiny tamin'ny lohany. Natahotra azy ireo mpandalo ka tsy nisy nahasahy nanala azy. Tsy salama saina efa hatramin'ny ela ity tovolahy ity ary mipetraka amin'ny havany izy. Efa niasa tamin'ireny zones franches ireny izy taloha. Anisan'ny niharan'ny fandroahana anefa, hono, izy. Nanomboka tamin'izany dia tsy marimarina intsony ny fiainany. Tonga hatrany amin'ny fifohana rongony izay voalaza fa anisan'ny niteraka ny fahavoazany.  
Mandratra olona  
Maro ny olona efa noratrainy. Amin'izao fotoana izao dia mpantsaka rano no asany. Nisy rangahy iray nitondra bisikileta nahavoadona azy. Avy hatrany dia nazerany ilay sininy ary nodarohany io olona io. Saika hamaly ity farany fa nilazan'ny olona hoe adala io dia lasa nandeha. Sahala amin'izany koa no nahazo tovolahy hafa iray. Nifandona kely taminy fotsiny dia nodarodarohany. Tamin'ny taon-dasa, lehilahy iray mpiambina paompy no nanalany ny fony satria niteniteny azy. Naratra be tokoa io olona io. Eo amin'ny fanimbana zavatra indray, izay niseho tamin'ny alakamisy hariva, dia nalany ny akanjony rehetra dia niantoraka teny amin'ny fitaratr'ilay fiara nijanona teo amoron-dalana izy. Ny sasany nilaza fa notorahany vato io. Tamin'ny taon-dasa dia nopotehany ny entana tao an-tranon'olona iray. Rehefa mihetsika ny aretiny, dia matory mivalampatra eny afovoan-dalana izy. Efa nosamborina izy tamin'ny alakamisy saingy tsy voatana mihitsy. Nokarohina eran'ny tanàna izy fa tsy hita mihitsy, omaly. Mihevitra ny handefa azy hanaraka fitsaboana ny tomponandraikitra ary hizaka ny lany rehetra amin'izany. Efa nandefa azy teny Anjanamasina tany aloha tany ny fokontany. Ity farany no niantoka ny lany rehetra tamin'izany. Nivoaka izy fa voalaza hoe sitrana. Izao indray anefa miverina ilay hadalana.
  r.s.  


849midi-mg-000989-1712-16022008 Nianjeran'ny biriky aman'arivony
Nianjeran'ny biriky aman'arivony


865midi-mg-001006-1731-18022008 Toutes les rencontres de la CAF
Toutes les rencontres de la CAF
ASC Snim (Mauritania) vs E.S. Setif (Algeria)
SC de Bissau (G. Bissau) vs OC Khourigba (Morocco)
Invincible XI (Liberia) vs AS Kaloum (Guinée)
Renacimiento (E. Guinea) vs G.D. Interclube (Angola)
ASFAR (Morocco) vs S. C. da Praia (Cap Vert)
Tonnere FC (Benin) vs Africa Sports (C. d'Ivoire)
APR FC (Rwanda) vs Zamalek (Egypt)
AS Douanes (Senegal) vs CF Ouagadougou (B. Faso)
Costa Do Sol (Mozambique) vs Ajesaia (Madagascar)
Royal Leopards (Swaziland) vs Dynamos (Zimbabwe)
Sahel SC (Niger) vs Ashantigold (Ghana)
Motema Pembe (RD Congo) vs Gomba United (Nigeria)
Vital'O (Burundi) vs Coton Sport (Cameroon)
FC 105 (Gabon) vs Hearts of Oak (Ghana)
Renaissance Tchad) vs TP Mazembe (RD Congo)
Stade Malien de Bamako (Mali) vs C. D. 1°de Agosto (Angola)
ASC Saloum (Sénégal) vs Club Africain (Tunisia)
ASKO de Kara (Togo) vs U. S. de Douala (Cameroon)
Simba SC (Tanzania ) vs Awassa City (Ethiopia)
Enyimba (Nigeria) vs Diables Noirs (Congo)
Tusker (Kenya) vs Al Tahrir (Eritrea)
USS Tamponnaise (Reunion) vs St. Michel (Seychelles)
Platinium Stars (South Africa) vs LSC Football Club (Lesotho)
Curepipe Starlight (Mauritius) vs Coin Nord (Comores)
Miembeni Sc (Zanzibar) vs Sundowns (South Africa)
Uganda Revenue Authority (Uganda) vs Zesco United FC (Zambia)
Cahier Sports 

867midi-mg-001009-1734-18022008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fitsarana. Niatrika mpitsara mpanao famotorana tamin'ny sabotsy teo ilay bandy nanendaka mpanao gazety teny Ambodivona tamin'ny herinandro lasa iny. Telolahy ry zareo no niaraka tamin'ny fotoana nanendahana. Ny iray ihany anefa no voasambotra teny amin'ny Petite Vitesse ny ampitson'ny andro nahavoa ilay mpanao gazety. Very tamin'io hariva io moa ny telefaonina miisa telo sy ny fankan-tsary ary ny kitapo nisy taratasy maro.
 - Antsohihy, vonoan'olona. Olona telo no voasambotry ny polisy avy ao Antsohihy tamin'iny herinandro iny. Voarohirohy tamin'ny nahafaty mécanicien iray ireo. Tamin'ireny andro ratsy nampiakatra ny rano ireny no niseho ny famonoana araka ny vaovao. Rehefa maty ilay olona dia natsipin-dry zalahy tany anaty renirano. Noheveriny tamin'izay fa ho lasan'ny ranobe handeha lavitra any ka tsy ho hita. Tsy izany anefa no niseho fa tavela tanaty honahona ny razana. Rehefa ritra ny rano dia nisy nahita ilay izy. Nandeha ny famotorana koa dia ireo olona ireo no notazonina. Resaka trosa tsy voaloha no nahatonga izao zavatra izao.
 - Ihosy, basy tratra. Ben'ny tanàna teo aloha tany Ihosy no nosamborina tamin'ny zoma lasa teo tany Ankily, kaominina Ihosy. Nahatratrarana basy kalch iray sy PA iray ary bala maromaro tany amin'ity olona ity. Efa tazonina ao amin'ny zandary ao Ihosy izy amin'izao fotoana izao.
 - Nitory ny tompon'omby. Very ny ombin'ity olona iray tamin'ny volana aogositra tamin'ny taon-dasa. Nanao fikarohana izy nefa tsy hita mihitsy. Ny volana oktobra dia nahare vaovao izy fa misy toerana nahitana ireo ombiny ireo. Avy dia tsy nisalasala ilay rangahy fa nalainy avy hatrany ny ombin'olona miisa hatrany amin'ny 96 sy ny basin'ilay tompon'ny omby. Tsy nanaiky mora foana anefa ity farany ka nitondra ny raharaha tany amin'ny fitsarana. Rehefa nandalo tany dia toa nilamina ihany ny roa tonta.
 - Adala niakatra tafon-trano. Tsy maintsy nantsoina ny mpamonjy voina avy atsy Tsaralalàna naka adala iray niakatra teny ambony tafon-trano teny Andohatapenaka omaly. Nanao izay ho afany ny mponina niantso azy hidina fa tsy nanaiky mihitsy izy. Rehefa tonga ireo avy mpamonjy voina nanambitamby azy dia nidina mora foana ity olona ity.



867midi-mg-001010-1735-18022008 Olona telo mianaka nianjeran'ny trano
AMBATOROKA. Vao niandoha kely fotsiny ny orana entin'ny rivo-doza Ivan dia nisy tamboho vato nianjera sy nandrava trano.
Olona telo mianaka nianjeran'ny trano
Omaly tokony ho tany amin'ny 5 ora mahery kely tany no naharenesana zavatra nidoboka be teny Ambatoroka. Nirohitra nijery izany ny mponina ka io trano kely iray vita gasy nianjeran'ny tamboho vita rary vato. Olona telo no tao anatin'ilay trano, mpivady sy ny zanany kely iray. Nieren-doza izy telo mianaka.
Amin'iny lalana ho any Mandroseza iny, afaka eo amin'ny 20 metatra ny sampanana ho any Ambohipo misy ny toby fivarotan-dasantsy, no nisehoan'ny loza. Somary ambany toerana amin'ny ankavanan-dalana raha hianatsimo. Raha vao nianjera ny tamboho nanindry sy nampianjera ilay trano dia voalazan'ireo izay nahita tamin'io fotoana io fa afaka nivoaka soa aman-tsara ilay ramatoa sy ny zanany. Tavela tao kosa ilay rangahy. Tonga maro ny olona nanome tanana tamin'ny famoahana azy. Nantsoina ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Tsy dia naharitra ela loatra taorian'ny nahatongavan'izy ireo dia tafavoaka ilay raim-pianakaviana. Mahatsiaro saina tsara izy na dia naratra aza.
Vao miandoha ny orana nentin'ny rivodoza Ivan dia efa manimba zavatra sahady ary saika namono olona mihitsy aza. Tokony ho mailo hatrany ny mponina amin'izao andro fahavaratra misy rivo-doza izao. Vao tapa-bolana izay no namoizana aina zaza miisa dimy teny Mahatony vokatry ny fianjeran'ny trano. Herinandro taorian'iny, raim-pianakaviana iray koa no maty, mbola vokatry ny fianjeran'ny trano fonenana ihany, teny Tsarahonenana.
Indraindray efa misy fambara ihany amin'ireny zavatra ireny, mivava ny rindrina, mando be ny toerana andalovan'ny riaka, tsy tsara loatra intsony ny tafo ary mitete sy ny zavatra maro hafa. Amin'izay fotoana izay dia efa tokony hiala ny olona satria tena loza mitatao izany rehetra izany.

Lire aussi - Amoron'i Mania : Insécurité : Zone rouge, zone bleue et zone blanche - Tapatapany 


867midi-mg-001011-1736-18022008 Nampihinaniny maloto ilay nangalatra saosety
Antsirabe
Nampihinaniny maloto ilay nangalatra saosety
Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray tamin'ny zoma lasa teo teny Antanambao Est Ivohitra Antsirabe. Ny antony, nampihinanany maloto ny vehivavy iray tratrany nangalatra saosety tao aminy. Soa fa tonga ny polisy nanakana ny mponina efa tena leo amin'ny fihetsik'ity rangahy ity.
Ramatoa iray manan-janaka roa no hitan'ilay lehilahy naka ny saosetiny. Nosamboriny ilay ramatoa, nofatorany sy nodarohany ary avy eo nampihinanany maloto. Mangana be ny vatan'ilay vehivavy ary tsy maintsy nampidirina hopitlay izy. Raha nahita izany ny mponina dia nirohitra nandeha tany amin'ny tranon'ity olona tsy mifaditrovana ity. Nentin'ny hatezerana ireo olona ireo ka ny tao an-tsain-dry zareo dia ny hampiatra ny fitsaram-bahoaka amin'ilay namahana maloto olona.
Mbola tsy milamina mihitsy anefa amin'zao fotoana izao ny raharaha satria efa tsy misy tia an'io lehilahy io mihitsy noho ny fihetsika tsy tia fiaraha-monina hasehony. Ny vaovao no nahalalana fa manahirana tokoa ny miara-miaina aminy. Rehefa notazonina any amin'ny polisy izy, ary mbola any hatramin'izao hanoratana izao, dia mbola notadiavin'ny olona hatrany.
Lova 


877midi-mg-001022-1748-19022008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
   - Trano nirodana. Saika nahitana trano nianjera maro teto an-drenivohitra omaly vokatry ny fijojon'ny orana. Ohatra amin'izany ny teny Ambohimanambola sy ny tetsy Ankorondrano ary ny teny Tanjombato. Manao fanaraha-maso ireo trano ahiana hirodana sy hazo ahiana hianjera ihany koa ny mpamonjy voina amin'izao fotoana izao.  
 - Mahabo Andoharanofotsy. Fanafihana mitam-piadiana. Notafihina jiolahy miisa fito ny tokantrano iray teny Mahabo ny alin'ny sabotsy teo. Nitondra basy  pistolet automatique  sy antsilava ary  barre à pince  ireo mpanafika. Noteren'izy ireo hanome 30 tapitrisa ny tompon-trano, ka rehefa tsy nanome dia nofaohiny ny entana rehetra tao.
   - Zanaka polisy kamboty. Nahazo fanampiana maro. Vary 2 gony, vola 400.000 Ar, savony, siramamy, vatomamy ary karine  caisse d'épargne  no natolotry ny fikambanan'ny vehivavy polisy sy ny vadin'ny polisy ireo ankizy kamboty tezaina any Ambatolampy ny sabotsy teo. Izany dia natolotra nandritra ny lanonana fifampiarahaban'ny mpikambana tratry ny taona tetsy amin'ny Mass Antsanimora.
Nangonin'i Aina R.


877midi-mg-001023-1749-19022008 Miaramila iray namoy ny ainy
Miaramila iray namoy ny ainy
Miaramila iray no namoy ny ainy, ny sambo nilentika ary ny entana rehetra lasan'ny rano avokoa. Vokatry ny loza an-dranomasina niseho ny alakamisy lasa teo, tany amin'ny fari-dranomasin'i Morombe, atsimo andrefan'i Madagasikara. Botry mpitatitra olona sy entana ity niharan-doza ity. Araka ny vaovao avy any amin'ny mpitandro filaminana dia nitondra mpandeha sy entana mihoatra ny zakany ity botry ity. Tsy nahatanty ny vesatra nentiny izy ka nivadika ary izao rendrika tanteraka izao. Lasan'ny rano avokoa ny entana rehetra nentin'ilay sambo. Entam-barotra toy ny vary, siramamy, menaka ary vokatra samihafa fampiasa andavanandro. Raha ny momba ilay miaramila namoy ny ainy indray, dia miasa ao amin'ny toby ao Ambahikily izy io. Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahazoana fanampim-baovao raha nisy olona hafa namoy ny ainy taty aoriana, nalaky voavonjy ihany mantsy ilay botry satria nisy namany nandalo ka nampitaina tamin'iny avokoa ireo mpandeha rehetra tao aminy. Teo amin'ny faritra manakaiky an' Ambohitsabo, any Morombe no tena nitrangan'ny loza. Mpiandriaka sy mpanjono avokoa ny ankamaroan'ny olona amin'iny faritra iny ary miankina be dia be amin'ny ranomasina ny fiainan'izy ireo. Manampy trotraka ny haratsian'ny lalana ka ny ranomasina no lalana haingana indrindra ahafahana mifamezivezy sy itondrana entana ary ifandraisana amin'ireo faritra manodidina toa an'i Morondava sy Toliara. Nandray fepetra manokana amin'ny fanaraha-maso ny fiaingan'ny botry ny tomponandraikitra any an-toerana taorian'ny nitrangan'ny loza.
Aina R.


880midi-mg-001027-1753-19022008 De nouveau dans l'expectative
Opposition
De nouveau dans l'expectative
Après sa dernière réunion, à l'hôtel Soimanga à Manakambahiny, la plate-forme de l'opposition semble de nouveau dans l'expectative. Rappelons que cette rencontre a été mise à profit par l'Arema pour donner des explications sur la requête que ce parti a déposée à la Chambre administrative, de la Cour Suprême d'Antananarivo, portant notamment sur les législatives. Il est à noter que ce cartel a décidé de ne pas participer aux régionales et aux autres élections tant qu'il n'y a pas révision du code électoral. Par ailleurs, l'opposition estime qu'il n'y a point de vraie décentralisation avec la nouvelle ordonnance régissant les régions.
Recueillis par Dominique R.
Politique 

912midi-mg-001060-1821-21022008 Tapatapany.
Tapatapany.
   - Mahitsy, vehivavy namono tena . Vehivavy iray no namono tena tany Mahitsy, omaly. Mpampianatra amina sekoly tsy miankina izy io ary mipetra-drery. Nametraka taratasy maromaro izy talohan'ny namonoany tena. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha.  
 - Antananarivo , trano nianjera . Teny Andohalo sy Ambanidia no nisy trano nianjera omaly. Tsy nandratra olona anefa izany satria efa niala mialoha ny mponina tamin'ireo trano ireo. Maro ihany koa ny trano ahiana hirodana eto an-drenivohitra. Efa tsy misy mipetraka intsony izy ireo mba hisoroana ny loza.
   - Ambohipo, vehivavy latsaka tany anaty tatatra . Tonga teny Antsahamena Ambohipo ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna omaly maraina tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany nanavotra vehivavy iray latsaka tany anaty tatatra. Naratra ilay vehivavy ary tsy maintsy nalefa notsaboina. Be ny rotsak'orana ka na ny tatatra kely fandehanan'ny rano maloto aza dia fandrika ho an'ny mpandalo.  
 - Ambositra, 4 andro vao hita faty . Efa tamin'ny alahady teo no tsy hita ny tovolahy iray 23 taona, nonina teny Ankeniheny Ambositra. Omaly alarobia vao hita ny fatiny, teny afovoan-tanimbary. Araka ny fantatra dia nentin'ny rano ity olona ity. Miakatra be ny rano tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza. Mpanera eo amin'ny taxi-brousse no asan'ity namoy ny ainy ity.
Nangonin'i r.s.


912midi-mg-001061-1822-21022008 Mpangalatra voanio matin'ny mpiambina
Sambava.
Mpangalatra voanio matin'ny mpiambina
Lehilahy iray voalaza fa nangalatra voanio no matin'ny mpiambina tany Sambava. Mpangalatra enina no niaraka tamin'io fotoana io. Teo amin'ny fotoana nampidirana ireo entana tao anaty sarety anefa no tonga ny mpiambina. Vaky tady nandositra avy hatrany izy rehetra. Ity maty kosa voalaza fa nijanona teo. Ary eto indrindra no misy resaka toa mifampiditra be ihany. Ao ireo milaza fa mpikarama nitondra ilay sarety fotsiny izy io fa tsy anisan'ny mpangalatra ary izany no tsy naha taitra azy mihitsy. Ireo mpiambina anefa nilaza fa rehefa nanontaniana izy dia namaly ary saika hanohitra mihitsy. Toa hoe namoaka antsy mihitsy aza. Izany no nahataitra ireo mpiambina. Tsy niandry izy ireo fa dia nampiasa ny fitaovana teny aminy. Voavely ilay lehilahy ary nitarika ny fahafatesany izany.
Mpitarika posy no asan'ity lehilahy maty ity amin'ny andavanandro. Sendra ny zavatra tsy nety anefa izy hany ka nandeha tany amin'ny tsy tokony ho nalehany ary dia izao namoy ny ainy izao. Azo lazaina fa mpikarama fotsiny ihany izy fa tsy anisan'ny mpangalatra raha izany no izy. Asa anefa raha nahalala ity olona ity fa entana halatra ireo nanaramàna azy ireo.
Remi R.


912midi-mg-001062-1823-21022008 Mpitaona biriky efatra lasan'ny rano
AMBOHITRIMANJAKA. Faran'izay mahery ny ranon'Ikopa amin'izao fotoana izao ary tsy misangy.
Mpitaona biriky efatra lasan'ny rano
Lehilahy miisa efatra no lasan'ny ranon'Ikopa omaly teny Ampangabe Ambohitrimanjaka. Haka biriky izy ireo omaly antoandro ka nitondra lakana. Noho ny fiakaran'ny rano dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanavotra izay biriky azo. Tamin'ny fotoana nampidirana ireo zavatra ireo tao anaty lakana no nivadika io fitaovana io. Niezaka namonjy azy ireo ny mponina. Faran'izay mahery anefa ny ranon'Ikopa amin'izao fotoana izao ary efa mihoatra ny fefiloha ka tsy nisy azo natao.
Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Raha ny filazan'izy ireo dia toa olona iray ihany no tsy hita io omaly io. Hanampy ny mponina amin'ny fikarohana no niantsoan'ny Ben'ny tanàna azy. Niala maina ihany koa anefa ireto farany ireto noho ny herin'ny rano.
Miakatra be tokoa ny rano manodidina ny renivohitra ka tokony hitandrina tsara ny rehetra indrindra ireo monina amin'ny faritra iva.
Tsy teto an-drenivohitra ihany anefa no fantatra fa nisy olona lasan'ny rano toy izao fa tany amin'ny faritra maro manerana ny nosy. Tany amin'ny faritra Antsihanaka dia tafakatra hatrany amin'ny folo any ny olona maty an-drano.
r.s.


919midi-mg-001070-1833-22022008 Olona 18 nosamborina niaraka amin'ny basy roa
 Forces spéciales 
Olona 18 nosamborina niaraka amin'ny basy roa
Vita ny ampahany amin'ny hetsika fampandrian-tany notontosain'ny mpitandro filaminana ao amin'ny forces spéciales tany amin'ny kaominina telo dia Mangatamboahangy, Amboropotsy ary Fenoarivo any Ambatofinandrahana. Nahitana vokany izany. Olona 18 no nosamborina izay voarohirohy amina halatra omby sy vonoan'olona, fanafenana olon-dratsy sy omby halatra, asan-jiolahy, firaisana tsikombakomba amin'ny dahalo, nahatratrarana basy sy bala tsy ara-dalàna. Noraofina ihany koa izany basy tsy ara-dàlana izany. Basim-borona miisa valo no nosavaina ka ny iray natao saisie satria tsy nisy taratasy ahafahana mitazona izany. Basy poleta vita gasy iray niaraka tamina bala 9mm miisa efatra ihany koa no azo.
Eo amin'ny halatr'omby indray dia miisa 865 no nosavaina ka ny 98 naiditra fourrière satria tsy manana pasipaoro ary tsy voasoratra anaty boky. Omby 16 no azo ary efa naverina amin'ny tompony.Ampaham-bokatra ihany ireo.
Mitohy hatrany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro filaminana. Tsy any Ambatofinandrahana ihany fa amin'ny faritra mafampana rehetra manerana ny nosy.
Fiaraha-miasa amin'ny fokonolona any an-toerana sy ny mpitandro filaminana no nahazoana izany vokatra izany.



919midi-mg-001071-1834-22022008 Bibilava iray garaba nampikorontana
Behoririka. Nivarahontsana izay nahita ireo biby. Sady marobe no nitsipatsipaka teo amoron'ny farihin'i Behororika izy ireo.
Bibilava iray garaba nampikorontana
Avy aiza ireo bibilava ireo? Iza no nanary azy ireo tao amin'ny farihin'i Behoririka? Mbola manitikitika ny maro ankehitriny ireo fanontaniana ireo na dia tsy nisy aza ny fanadihadiana misokatra momba izany. Saika nihodina teo ny resaka teo anivon'ny fandaharana azon'ny mpiheno andraisana anjara. Raha ny zava-misy aloha dia efa tsy teo intsony ireo bibilava omaly. Nisy ny nilaza fa nisy naka. Tamin'izy velona aza dia nisy saofera iray nibata ny sasantsasany tamin'ireo, hoy ny lehilahy iray sendra anay. Ny talata teo no nivoaka nitsipatsipaka avy tao anaty garaba ireo biby ireo, teo amin'io farihy io. Nisy ny tafavoaka tety amin'ny arabe, nampisahotaka ny olona. Ny maro tamin'ireo avy hatrany dia novonoin'ny olona teo amin'ny manodidina.
Notaterina
Ny sasany kosa mbola nijanona tsy niala lavitra teo amin'ilay garaba nisy azy. Ny nahagaga dia ny fisian'ny olona sahy naka izany. Nalainy soa aman-tsara izay zakany, nataony tao anaty kitapo kely dia nentiny tamin'ny fiara. Ireo ambiny kosa matin'ny olona ny ankamaroany. Avy aiza ireo biby? Raha ny filaza teo an-toerana ihany dia olona no nanipy azy ireo tao. Natsipiny niaraka tamin'ny garaba, hoy ireo manamarika. Tsy nandiso izany rahateo ny tomponandraikitry ny filaminana amin'iny faritr'i Behoririka iny. Tsara ihany raha mba misy ny fanadihadiana misokatra. Na ny fahitàna ireo biby fotsiny aza mantsy dia efa nampikorontana ny sasany...
D.R 


919midi-mg-001072-1835-22022008 Rangahy 70 taona maty nananton-tena
ANKAZOBE
Rangahy 70 taona maty nananton-tena
Faty mihantona tamin'ny valin-drihana no novantanin'ny zafikeliny tao an-trano raha hamangy ny raibeny izy. Zava-niseho tany Manontanitsiloza, Ankazobe ny 19 febroary lasa teo. Tsy nivoha mihitsy ny tranon'ity lahiantitra ity ka tamin'ny 4 ora tolakandro dia nanapa-kevitra ny hamaky ny varavarana ny zafikeliny. Nantsoina hanatrika izany ny zandary sy ny sefom-pokontany. Vao nisokatra ny trano dia io ny fatin'ingahibe mihantona amin'ny tady. Samy nanontany tena ny rehetra hoe: namono tena sa nisy namono? Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana hahalalana izay tena marina. Efa nanao fizahana ny razana ny dokotera tany an-toerana. Mahavariana ihany mantsy raha rangahy lehibe mananika ny 70 taona izany no hamono tena tsy amin'antony.
Aina R.


919midi-mg-001073-1836-22022008 Tapatapany
Tapatapany
 - Maevatanàna, tapaka 18 ora ny lalana. Nanomboka ny alarobia tamin'ny 8 ora alina ka hatramin'ny alakamisy tamin'ny 12 antoandro dia tapaka ny lalam-pirenena faha-4 teo amin'ny PK 300 akaikin'i Maevatanàna. Nitohana ny fifamoivoizana nandritra izany fotoana lavalava izany. Ny antony, nifandona mafy tao anaty tetezan'i Beanana ny fiarabe roa samy nitondra entana. Tsy mba tamin'ny fidirana ny tetezana no nifandona ireo fiara, fa efa teny afovoany mihitsy. Naratra mafy ny iray tamin'ireo mpamily.
 - Mananjary, 5500 traboina. Nandalovan'ny rivo-doza Ivan ihany koa tany Mananjary ary dia namelany takaitra be tokoa. Mahatratra 5500 ny olona traboina any an-toerana amin'izao fotoana izao. Simba ny 90%n'ny vokatra tokony hiakatra amin'ity taom-piotazana ity. Biby fiompy maro no very. Fiara iray no latsaka tao amin'ny bac Anjilazila.
Nangonin'I r.s. sy HAR 


932midi-mg-001087-1851-27022008 Sao dia mba ny vehivavy no izy?
Sao dia mba ny vehivavy no izy?
Tena misy mahay baolina ireo vehivavy malagasy. Samy miaiky izany ireo nanatri-maso ny fifananinam-pirenena tany Antsirabe. Singanina amin'izany ry Domoina tao amin'i Analamanga. Tsy ambakan'izany koa ry Alexandra avy any Mahajanga ary na ny any Maorisy aza dia manana an'i Judith koa isika.
Mitazam-potsiny
Raha tsorina dia mety mahavita ekipa afaka hifampitana amin'ireo Afrikanina isika. Mety ho tafiditra ao anatin'ny 8 voalohany aza.
Ary dia izany no mampanontany tena ny maro manao hoe maninona rehefa tsy afaka ihany ry Ima Faneva sy ny tariny dia ny baolina vehivavy indray no masahana.
Dieny mbola tsy dia mankaiza mantsy ny ekipa afrikanina eto dia tokony hanararaotra ihany sao kenda eo indray vao hoe dony aho Ranaotra.
Ary iza no mahita raha ny vokatra tsara ho azon'ny vehivavy no mety hanatsara indray ny filaharantsika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ka mba tsy hitafy henatra toy izao ny Malagasy rehetra.
Mila ezaka goavana anefa izany fa tsy mijorojoro fotsiny toy ny nataon'ireo teknisianina tany Antsirabe izay toa faly mitazana fotsiny nefa misy ny asa tokony natao. Isan'izany ohatra ny fijerena ireo handrafitra ny ekipa nasionaly ary ny fanomezana azy ireo sahady ny fanazaran-tena manokana tokony hataony. Zavatra tsotra nefa mahagaga fa tsy nisy nanao. Asa loatra lahy!
Plus de Midi 

952midi-mg-001108-1875-23022008 Tsy maintsy hazera ilay  cheminée 
Tsy maintsy hazera ilay  cheminée 
  Nisahotaka ny mpivarotra tao amin'ny Toby Pochard omaly. Tsy maintsy hazera mantsy ilay cheminée mijoalajoala ao satria atahorana hianjera. Tsy maintsy miala ireo mpivarotra amin'ny 30 metatra manodidina ilay zavatra halana. Tsy nanaiky anefa izy ireo satria maharitra hatrany amin'ny tapa-bolana ny asa. Izany hoe, mandritra io fotoana io, tsy hivarotra ry zareo. Tsy nanomana toerana hivarotan'izy ireo mandritra io fotoana lavalava io ny tomponandraikitra. Rehefa nikaroka toerana anefa, ny vahaolona hitany dia toa hoe alefa eny amin'ny Petite vitesse aloha izy ireo. Hivarotra eny amoron-dalana rehetra eny.
  r.s.


952midi-mg-001109-1876-23022008 Misy mangalatra ny kojakoja amin'ny tranom-panjakana
Misy mangalatra ny kojakoja amin'ny tranom-panjakana
  Potika tantareka ny tranom-panjakana lehibe iray naorina teny amin'ny  port fluvial  ao Mananjary noho ny halatra niseho tao. Efa ho roa volana izay no nahafantaran'ny olona fa misy maka ny tafo, ny vy sy ny kojakoja maro amin'io tranobe io. Tonga teto an-toerana omaly ny lehibe'ny faritra Vatovavy Fitovinany. Tamin'ny resadresaka nataony tamin'ny mpanao gazety no nahalalana ny toe-javatra. Nandeha nizaha ny zava-misy teny amin'ilay toerana ny tomponandraikitra maromaro notarihin'ny lehiben'ny faritra ka anisan'izany ny depiote, ny Ben'ny tanàna. Ireo tokoa misy lehilahy roa tratra teo am-panongotana vy. Tsy nitsoaka izy ireo fa niandry teo. Rehefa nanontaniana azy ireo ny antony nangalany ny vy dia namaly ry zalahy fa karama ny azy fa misy olona nanarika azy haka izany. Teo noho eo ihany dia nasaina nosamborin'ny polisy izy ireo ary efa tazonina any amin'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Nanome baiko avy eo ny lehiben'ny faritra fa ao anatin'ny 72 ora dia tsy maintsy fantatra izay ati-doha naniraka ny olona hanimba ilay trano.
HAR    


953midi-mg-001111-1878-23022008 Vehivavy naka rano sy lehilahy nandro nokaikerin'ny voay
Vehivavy naka rano sy lehilahy nandro nokaikerin'ny voay
  Olona roa, lahy sy vavy no nokaikerin'ny voay tany amin'ny tanàna atao hoe Kingony, kaominina ambanivohitra Bemanevika any Ambanja. Samy naratra be izy roa ireo ary mbola manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao. Andro samy hafa, fa teo amin'ny renirano iray ihany no nandrapahan'ny voay azy ireo. Ilay vehivavy tamin'ny faha-6 febroary teo. Nandeha naka rano izy tamin'io fotoana io. Avy hatrany anefa dia narapak'ilay biby. Ny tongony no voakaikitra. Ankeviny tsy azo tsara anefa ka afaka nanavo-tena ilay ramatoa. Ilay rangahy 40 taona dia ny faha-8 febroary no voa. Efa tamin'ny 7 ora hariva tamin'izay. Saika handro tao amin'io rano io izy. Tonga koa dia nasian'ilay voay. Izay fomba nialany no tsy fantatra fa mba avotra soa aman-tsara ihany izy. Ny tongony ihany koa no voa ary voalaza fa rovitra mihitsy. Isan-taona dia misy olona lasan'ny voay eo amin'io rano io. Tamin'ity indray mandeha ity anefa dia avotra soa aman-tsara ireto olona ireto. Eo anoloan'ny toe-javatra dia matahotra mafy tokoa ny any an-toerana. Biby anisan'ny arovana ny voay ary tsy azo atao ny mamono azy. Efa nanatona tomponandraikitra ny solontenam-pokonolona hitady vahaolona. Mbola miandry izay valinteny aloha hatramin'izao. Miakatra ny rano amin'izao fotoanan'ny orana izao ka atahorana mihitsy ireny biby ireny. Biby anisan'ny fetsy satria mahay mitampify amin'ny moron-drano miandry izay remby sendra mandalo. Vao haingana no nandrenesana tany amin'ny faritry SAVA ny fahasiahan'ny voay. Ankizy niampita tetezan-kely no saika narapany. Ny tongony no tratra saingy efa tafita izy ka afaka niala ny vavan'ilay biby.
Remi R.


955midi-mg-001114-1893-06032008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 Raharaha Dorrick. Nalefa any am-ponja ilay ombiasy. Rehefa avy niatrika ny mpitsara mpanao famotorana sy ny mpitandro filaminana tao amin'ny Fampanoavana, dia nalefa vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy i Rivokely, ilay ombiasy mpamatsy fanafody an'i Dorrick sy Kouakou.


967midi-mg-001127-1931-26022008 Tapatapany
Tapatapany
   - Ambanja, vonoan'olona . Tovolahy 20 taona no maty novonoin'ny namany iray 24 taona. Mpivarotra mangahazo tany Port-Berger ity namoy ny ainy ity. Tamin'ny faha-12 febroary no hita farany ranamana. Ny faha-18 febroary anefa vao hita tao an-tranony ihany ny fatiny. Ny fandinihana nataon'ny dokotera no nahalalana fa maty efa fotoana lavalava izy. Efa nosamborin'ny zandary any an-toerana ilay nahavanon-doza.  
 - Antalaha, fatin-jaza narian-dreniny . Fatin-jazakely vao 9 volana no nisy nahita tao anaty lobolobo amoron-dalana tany amin'ny Secteur 5 any Antalaha. Olona nandalo no nahare fofona maimbo ary tsy naharitra fa nizaha. Io misy zavatra mifono lamba fotsy ary avy amin'izy io ny fofona. Nodinihin'ny dokotera ny razana ka fantatra fa tokony ho tany amin'ny faha-12 febroary tany no maty ity zazakely ity. Efa nisy lanin'ny alika ny tongony.  
 - Sambava, lozam-pifamoivoizana . Omby iray no maty ary naratra mafy ny mpandroaka azy nodomina kamiao tany Sambava. Nitaona fasika ity fiarabe ity tamin'ny andro nisehoan'ny loza. Tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro anefa, nifanena tamina omby telo nisy mpandroaka telo ilay izy. Izay niseho tsy fantatra fa dia izao niseho izao ny loza. Tsy niandry teo anefa ny mpamily fa lasa nandositra niaraka tamin'ny fiara.
Nangonin'i Remi R.


967midi-mg-001128-1932-26022008 Maka sarany 60 000 Ar isaky ny fiara ireo be sandry
Maka sarany 60 000 Ar isaky ny fiara ireo be sandry
  Izao no lazaina fa fanararaotana mihoa-pampana. Tsy maintsy mandoa vola hatrany amin'ny 60 000 Ar ny fiara rehetra mandalo amin'ny tanana atao hoe Ambalakida any amin'ny faritry Malaimbady. Toerana iray eo anelanelan'i Miandrivazo sy Morondava. Izay tsy manome io vola io dia tsy afaka mandeha. Voalazan'ny vaovao fa maro tokoa ireo fiara mihitsoka. Efa tena misy fahasimbana be ny lalana RN34 mampitohy an'Antananarivo sy Morondava mandalo any Miandrivazo. Taorian'ny nandalovan'ny andro ratsy izay nitondra orana be tokoa tamin'ny faritra maro manerana ny nosy dia anisan'ny voa koa iny faritry Menabe iny. Vao maika niha samba ny lalana. Io no nisy nanararaotra ary izao maka vola amin'ny mpampiasa ny lalana izao. Ny vaovao voaray ihany no nahalala fa efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa iny no nisy izao zavatra izao. Eo amin'ilay toerana dia nisy bifurcation, tsy dia lava loatra. Voalaza fa misy lehilahy iray manakana ny fiara ary maka ny vola. Izay tsy afaka mandoa dia tsy mahazo mandeha amin'ilay fiviliana kely. Tsy mandeha irery izy amin'izany fa toa hoe manakarama olona marobe, an-jatony, araka ny loharanom-baovao, hanampy azy. Eo anatrehan'izany na ny fokontany aza tsy mahita ho lazaina fa mitazam-potsiny. Tsy ny manakan-dalana sy maka vola ihany anefa no ataon'ireto olona ireto fa toa mandrahona ihany koa izy ireo. Efa misy mpanamboatra lalana mitoby any amin'iny faritra iny. Tsy avelan-dry zareo miasa anefa ny mpiasa. Tsy vao izao no nisian'ny zavatra sahala amin'ity. Raha tadidintsika tsara dia efa nahenoina fangalana vola amin'ny mpampiasa lalana ohatran'izao rehefa ratsy ny andro tany amin'ny faritra maro. Tsy afaka miampita ny mpandeha raha tsy ireo olona eo amin'ny tanàna ihany no mitatitra ny entana, raha misy fifindrana fiara, ohatra. Misy amin'ireny olona mpanararaotra ireny mihitsy aza manimba ny lalana mba tsy hahazoan'ny fiara mandeha.
r.s.


991midi-mg-001153-1960-27022008 Mety ho terorista, mitohy ny famotorana!
Pasipaoro sandoka. Mitohy ary mihamafy, saika andro aman'alina mihitsy, ny famotorana etsy Anosy. Mandeha mantsy ny feo fa mety miray tendro amin'ny terorista izy ireo...
Mety ho terorista, mitohy ny famotorana!
Mitohy hatrany ny famotorana, ary efa famotorana ifotony mihitsy no mandeha amin'izao fotoana izao, momba ireo teratany Irakianina roalahy voasambotra teto amintsika noho ny fampiasana pasipaoro sandoka. Tsy mbola nisy ny nipika momba ny fanadihadian'ireo mpitandro ny filaminana mba ho fanajana ny tsiambaratelon'ny famotorana. Ny fantatra dia hoe misy olona maromaro mety hosamborina eto Madagasikara momba iny raharaha iny. Saingy mbola andrasana ny porofo hahafahana manatontosa izany. Izay aloha ny amin'iny raharaha iny. Fa ny tsy fantatry ny besinimaro dia ny fisian'ny vazaha telo tsy fanta-pihaviana izay tafiditra tamin'ny raharaha mitovy tanteraka tamin'ireo Irakianina ireo. Nefa dia takona tsy nisy niteny izany. Manintona kokoa ny hoe Irakianina, noho ny antony efa fantatry ny maro, indrindra amin'izao vanim-potoana anjakan'ny asa fampihorohoroana izao, noho ny hoe tsy fanta-pihaviana. Raha araka ny vaovao azo dia pasipaoro malaizianina no nampiasan'ireo vazaha telo, lahy roa sy vavy iray, ireo.
Terorista
Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro ny filaminana na ny marimarina kokoa ny pôlisy ary dia naverina tany amin'ny toerana nihaviany izy ireo. Ireo tranga roa ireo dia manamarina avy hatrany fa tadiavin'ny sasany atao famantanana sy hatao toeran'ny hosoka i Madagasikara mba hahafahany tonga any amin'ny toerana izay tsy nahazoany alalana. Plaque tournante, hoy ny vahiny. Ny tena atahorana raha izao toe-javatra izao no mitohy dia ny mety hanararaotan'ny mpampihorohoro hanamorana ny asaratsiny. Tsy azo odian-tsy hita fa marefo ny sisin-tanintsika. Voalohany aloha dia goavana loatra i Madagasikara hany ka sarotra ny fiambenana ny sisin-taniny. Manarak'izany koa dia tsy ampy ny isan'ireo mpitandro ny filaminana tokony handray an-tanana izany. Tsapan'ny rehetra ny mety ho vokatr'izany ary mazava loatra raha ataon'ny fitondrana ankehitriny amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ny hanaovana laharam-pahamehana ny fiarovana ny sisin-tany. Vazaha dimy sarona miaraka amin'ny pasipaoro hosoka ao anatin'ny andro vitsivitsy. Mahatonga saina izany ary mila mandray fepetra hentitra mba ho fiarovana ny sisin-tany.
Didi R. 


991midi-mg-001154-1961-27022008 Tokantrano notafihina jiolahy mirongo basy
ANOSIBE. Nopoirin'ireo jiolahy ny trano ka raha vao tafiditra izy ireo dia nanambana basy ny tompon-trano ary nitaky ny vola.
Tokantrano notafihina jiolahy mirongo basy
Fanafihan-jiolahy niseho tetsy Anosibe ny alin'ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin'ny misasakalina. Miisa enina ireo mpanafika, ary ny roa tamin'izy ireo mitondra basy. Ny sasany kosa mitondra barre à pince sy antsilava. Nopoirin'ireo jiolahy ny trano ka raha vao tafiditra izy ireo dia nanambana basy ny tompon-trano ary nitaky ny vola rehetra misy tao an-trano. Nifampizara ireo jiolahy ka ny sasany mikaroka ny vola ary ny sasany miambina ny tompon-trano. Tsy afa-po ireo jiolahy satria tsy hitany ny vola be notadiaviny ka hany heriny dia nibata izay entana sarobidy hitany tao. Lasan'izy ireo tamin'izany ny vata fahitalavitra, ny lamba tsaratsara rehetra ary kojakoja maro hafa.
Niantso vonjy
Lasan'ny jiolahy ny entana ary lasa nandositra ireo avy eo. Tsy lasa lavitra ireo mpanafika dia niantso vonjy ny tompon-trano. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotry ny fokonolona ny roa tamin'ireo jiolahy. Ny namany kosa tafaporitsaka tany anelakelan-trano. Nalaina am-bavany tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana izy roalahy ireo, ary natolotra ny mpitsara mpanao famotorana omaly. Mbola mitohy amin'izao fotoana izao ny fikarohana ireo jiolahy tafatsoaka.
Raha ny fomba fandehan'ny fanafihana sy ny zava-nitranga rehetra dia mitovy tsy misy valaka tamin'ny nataon'ireo jiolahy nanafika teny Soavina Atsimondrano ny alin'ny zoma lasa teo. Manapitsoka varavarana, manambana basy sy mitaky vola, ary rehefa tsy mahazo dia mibata entana. Mety ho andian-jiolahy iray ihany izany ireto mamely eto an-drenivohitra ireto, fa ny toerana no miovaova.



991midi-mg-001155-1962-27022008 Teratany Frantsay nisy nanafika tao amin'ny hotely
Mananjary
Teratany Frantsay nisy nanafika tao amin'ny hotely
Mpivady frantsay no nisy nanafika tao amin'ny hotely Jardin de la Mer, ny alahady hifoha alatsinainy tokony ho tamin'ny 2 ora maraina teto Mananjary. Lasan'ireo jiolahy avokoa ny zavatra sarobidy toy ny telefaonina finday, sakaosy iray nisy ny pasipaoro sy vola 4 000 Euros, camera, fankan-tsary sy irony fitaovana fametraka amin'ny sofina irony. Mitotaly hatrany amin'ny 6 000 Euros any ho any ny vidin'ireo zavatra lasan'ny mpangalatra ireo.
Efa be taona ireto vahiny ireto. Ilay rangahy 77 taona ary ny vadiny 73 taona. Tamin'io ora voalaza io dia nibosesika niditra ny telolahy nisaron-tava sy nitondra basy. Nampitahoriny tamin'ny basy izy mivady ary tsy nisy sahy nihetsika fa nijery fotsiny ny nataon'ireo jiolahy. Rehefa azon'izy ireo izay nilainy dia lasa nandeha izy ireo.
Napetraka ny fitarainana tany amin'ny mpitandro filaminana nony maraina. Natao ny fikarohana ka hita ilay sakaosy saingy efa tsy nisy na inona na inona intsony. Ny pasipaoro sisa no navelan-dry zalahy.
Araka ny fantatra dia tsy vao izao ity hotely ity no nidiran'ny jiolahy.
HAR 


991midi-mg-001156-1963-27022008 Vaky trano isak'alina
Antsirabe
Vaky trano isak'alina
Tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny dia novakian'ny sasany ny tranona mpanjaitra iray teny Mahazoarivo Sud teto Antsirabe. Lasa avokoa ny entana toy milina fanjairana, lambam-barotra, lamba firakotra tao amin'io trano io. Tamin'ny fotoana nahavakisan'ny trano dia tsy tao ny tompony fa lasa nandeha tany ambanivohitra. Misy olona ahian'ireo manana ny trano vaky amin'izao fotoana izao. Heveriny arak'izany fa olona tsy lavitra no namaky ny trano. Napetraka tany amin'ny mpitandro filaminana ny fitarainana. Amin'izao fotoana izao dia efa misy olona alaina ambavany.
Lova 


991midi-mg-001157-1964-27022008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Ambanidia. Nikorontana ireo tra-boina. Raikitra ny korontana tetsy Ambanidia omaly hariva. Tsy iza ireo olona ireo fa ireo tra-boina izay nozaraina fanampiana. Tsy dia nilamina loatra ny fandrindran'ny tomponandraikitra ny fizarana; ireo olona rahateo efa sahirana mafy satria efa hatarmin'ny 5 ora maraina no nilahatra teo ka samy nanao izay hahazoany ny anjarany. Tsy mety nilamina izany ka nitokona teo afovoan'ny arabe manoloana ny EPP ireo tra-boina ireo. Tapaka mihitsy ny lalana amin'izao fotoana anoratanay izao.
 - Malaza. Mpianatra nofaohin'ny kamiao. Lozam-pifamoivoizana niseho tao amin'ny fokontany Antetezankely, lalam-pirenena RN1, Pk 11+800, afak'omaly tamin'ny 2 ora tolakandro. Ankizy misangy eny an-tsisin'arabe no nofaohin'ny kamiao. Nalefa eny amin'ny HJRA ity zaza ity noho ny ratra mafy teo amin'ny lohany.
Nangonin'i r.s 


991midi-mg-001158-1965-27022008 Nampiasaina nangalana volabe
Ody gasy
Nampiasaina nangalana volabe
Tena fanina mihitsy ilay olona mpiasan'ny paositra nanisa ny vola ho an'ireto mpivady. Tafahoatra be mantsy ny vola nomeny izay izy vao nijanona. Tsy tonga saina izy tamin'izany zavatra izany. Efa lasa lavitra tokoa ireo nisoloky vao tadidiny ny zavatra vitany.
Tany Mananjary no niseho ity zavatra mifona misitery ity n any marina kokoa nampiasana ody gasy. Mpivady mpiasan'ny paositra any amin'ny toeran-kafa ireo nampiasa ody ireo. Nanana mandate tonga tany Mananjary izy ireo. Vola Ar. 2,4 tapitrisa no voasoratra tao. Rehefa nanome ny vola anefa ilay tao Mananjary dia tsy nety nijanona mihitsy raha tsy efa tonga hatrany amin'ny Ar. 10 tapitrisa ny vola. Rehefa azon'izy mivady izany dia nandositra tany Fianarantsoa iny andro iny ihany izy ireo.
Nilaza ny mpitandro filaminana rehefa niverina ny sain'ilay mpanisa vola. Ny ampitso sabotsy ihany dia tratra izy mivady. Ny nahalalana fa nampiasa ody izy ireo dia nahitana tapakazo maro tao anatin'ny sakaosiny.
HAR 


1008midi-mg-001176-1984-28022008 Nivadika ny lakana, olona roa maty, telo tsy hita popoka
NISEHOAN-DOLO. Olona 12 izy ireo no niara-niampita rano. Nisy aloka mainty be nanarona azy ireo ary nilentika ny lakana.
Nivadika ny lakana, olona roa maty, telo tsy hita popoka
Tranga hafahafa niseho tany Port Bergé ny 22 febroary lasa teo. Olona 12 nitaingina lakana no nisehoan'ny lolon-drano ka rendrika. Olona roa no namoy ny ainy vokatr'izany, avotra soa aman-tsara kosa ny folo ambiny. Niampita ny reniranon'i Bemarivo ireto olona ireto. Rehefa teny afovoan-drano anefa, araka ny fitantaran'ireo niharam-boina, dia nisy aloka mainty be nanarona azy ireo. Lolon-drano, hoy izy ireo. Niezaka niala izany ihany ilay mpivoy lakana ary namonjy vodihazo teny amin'ny sisin-drano. Tsy nahatohitra ilay hery hafahafa anefa fa rendrika ilay lakana. Samy niezaka nanavotra ny ainy ny tsirairay, ka minitra vitsy taorian'izay dia tafakatra an-tanety soa aman-tsara ny folo tamin'ireo mpandeha. Ny roa vavy kosa tsy avotra fa lasan'ny rano tany ary tsy nipoitra raha tsy efa afaka ny ainy. Mpampianatra ao amin'ny EPP Ambalavola ny iray, 32 taona. Ilay faharoa kosa monina any Ambanjabe, 30 taona.
Telo tsy hita popoka
Mbola vaovao avy any amin'iny faritra avaratra andrefan'ny Nosy iny ihany. Olona 5 mianaka no navadiky ny lakana. Loza niseho tany Antsalova, fokontany Bemalo, kaominina Mahazoarivo. Niampita ny reniranon'Anosintsakay izy ireo no izao niharan-doza izao. Nahery be ny rano tamin'ny fotoana niampitan'izy ireo. Tsy nahatohitra izany ilay lakana ka nivadika. Nalentiky ny rano ireo mpandeha dimy saingy avotra soa aman-tsara ny roa fa ny telo kosa tsy hita popoka. Olona telo izay mpianaka ihany dia mpivady sy ny zanany iray. Mbola manohy ny fikarohana azy ireo ny fokonolona hatramin'izao, saingy efa tsy manantena ny hahaveloman'izy ireo intsony.
Mampitandrina ireo mpiampita rano rehetra ny tomponandraikitra amin'izao fotoana izao. Indrindra taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza satria mbola mahery be ny rano ka atahorana ny ihavian'ny loza, toy ireto nitranga sy namoizana ain'olona ireto.



1008midi-mg-001177-1985-28022008 Novakiany ny lohan'ilay rangahy nihinana ny zanany
SAMBAVA
Novakiany ny lohan'ilay rangahy nihinana ny zanany
Hatazerana tsy nisy ohatr'izany ny an'ny rain'ilay zazakely vao 13 volana maty novonoina tamin'ny fomba feno habibiana. Tsy tanany intsony izany hatazerana izany ka tsy namelany raha tsy maty koa ilay nihinana ny zanany. Kapoka teo amin'ny lohany no nanaovany azy ary nipotsaka hatramin'ny atidohan'ilay rangahy.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Manakana, kaominina Ambodiampana any Sambava no niseho ny tantara mampalahelo. Nisy lehilahy, 41 taona, nilaza fa ipetrahana tromba no handeha an-tongotra ho any Nosi-Be hanala izany tromba izany. Nandalo tanàna iray izy ary nangataka rano sy nitantara ny zavatra mahazo azy. Tsy navelan'ilay ramatoa nandeha anefa izy noho ny fahalaviran'ny lalana. Nijanona efatra andro tao amin'ilay tanàna izy. Ny harivan'ny andro farany, nankao amin'ny mpifanolo-bodirindrina amin'ireto olona nampiantrano azy, izay nisy zaza 13 volana, ilay lehilahy. Nanontaniany ny toerana misy ny zaza ny reniny ary nilaza fa mandry ao an-trano. Nalainy tao io zazakely io. Afaka ora iray anefa vao tonga saina ny reniny. Nojerena ka tsy teo amin'ny toerana natoriany intsony ny zanany. Rehefa nanontaniana ilay nilaza ipetrahan'ny tromba dia nanambara fa nentin'io hery ao aminy io izy. Natorony ny toerana, tany anaty alana kafe. Notadiavina io alina io ilay zaza ka ny fatiny sisa no hita. Tsy teo intsony ny filahiany, ny orony, ny molony ambony ary trobaka ny kibony.
Nosamborina ilay lehilahy. Nanontanian'ny rain'ilay zaza izy ary nolazainy fa nohaniny ireo zavatra ireo. Nentin-katezerana ilay rain-jaza ka novakiany ny lohan'ity misy tromba ka maty teo no ho eo.
Remi R. 


1008midi-mg-001178-1986-28022008 Maty ilay mpianatra nodomin'ny kamiao
MALAZA
Maty ilay mpianatra nodomin'ny kamiao
Tsy tana ny ain'ilay ankizy, mbola mpianatra, nodomin'ny kamiao teny Malaza afak'omaly. Niezaka nanao izay fara-heriny ihany ny mpitsabo tao amin'ny HJRA saingy tsy tana ny ain'ilay zaza. Ny lohany no tena voadona mafy, ary betsaka tokoa ny rà very tamin'izany, araka ny fanazavan'ny mpitsabo. Raha tsahivina dia afak'omaly tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro no niseho ny loza, teny Malaza, Antetezankely (RN1, PK 11+800). Nisangisangy tamin'ny namany teny an-tsisin'arabe izy ary lasa tampoka tany anatiny ka voafaokan'ilay kamiao SAMSUNG. Nentina haingana namonjy hopitaly saingy izao tsy tana izao ny ainy.



1008midi-mg-001179-1987-28022008 Hita tao anaty gony ny fatiny
 DJ  NISY NAMONO
Hita tao anaty gony ny fatiny
Hita teny an-tanimbary ary tao anaty gony ny fatin'ilay Disc jockey nisy namono teny Ambohimanambola ny alin'ny sabotsy teo. Nisy naka handeha hampandihy eny Ambohimanambola ity DJ ity ny sabotsy teo. Niala tao an-tranony izy sy ny sipany niaraka amin'ny fitaovana fampandihizana. Tsy hita anefa izay nanjavonan'izy roa. Ny marainan'ny talata no hita teny Ankaraobato ny fiara Peugeot 405 izay nentin'izy ireo, fa izy roa kosa mbola tsy hita. Nitohy ihany ny fikarohan'ny zandary ka nisy olona telo voasambotra. Ireo no nanoro ny toerana misy ilay razana, izay hita ny alin'ny talata. Nalevin'ireo namono azy tany an-tanimbary tany Mandikanamana. Novelesiny tamin'ny tavoahangy ny lohany, nafatony ary nafatrany tao anaty gony. Ilay tovovavy sy ny fitaovana fampandihizana kosa mbola tsy hita hatramin'izao. Mbola manohy ny fikarohana ny mpitandro filaminana.



1045midi-mg-001217-2030-29022008 Toamasina : zaza dimy indray maty tany anaty rano
Toamasina : zaza dimy indray maty tany anaty rano
  Efa noraran'ny olona ihany ireto ankizy, tsy tana fa dia mbola niroboka tany anaty rano. Noho ny orana nijojo tato ho ato tao Toamasina anefa dia nihakatra ny ranomamy ary mahery ny fitampodin'ny ranomasina. Vokany, ankizy no indray namoy ny ainy ny folakandron'ny alarobia lasa teo. Ny telo tamin'ireo dia teny amin'ny ranomasina manakaiky indrindra ny cite Canada. Mpirahalahy iray tampoho ny roa lahy ary ny iray namana sady mpiara mianatra amin'izy ireo. Araka ny fantatra dia tsy nianatra izy telo lahy ireo tamin'io fotoana io. Ny hafanan'ny andro ihany koa no nanosika azy ireo nandeha hilomano. Faritra somary mahery ihany anefa ny ranomasina amin'io toerana io. Efa maro ihany koa izay olona maty teny ary misy ny tsy fahita faty mihitsy. Tamin'ny ora nanoratanay, mbola tsy hita ny vatan'ny iray tamin'ireo mpirahalahy. Naloan'ny ranomasina kosa ireo roa lahy. Ireo roa lahy maty androno kosa dia teny amin'ny rano amin'ny lakandranon'ny Mpangalana. Niakatra ihany koa ny rano amin'io toerana io. Koa na dia efa mpandro eny aza ireto ankizy ireto dia tsy nanampo ny mety ho herin'ny rano. Io farany io indrindra no nahatonga ny vatan'izy ireo netin'ny rano hatrany hanatin'ny tsikafona lavidavitra kely ny toerana nilomanosany. Ny mpamonjy voina nanao ny fikarohana no nahitana ny vatan'izy roa lahy. Amin'izao fotoanan'ny rivodoza izao, maro ireo toerana feno rano ao andrenivohitra aratoekarena ao. Manampy trotraka ny fiangonan'ny rano ny asa fanamboaran-dalana sy ny lakandrano. Isan'ireo atahorana ny ahafaty olona ihany koa ny lakandrano ao Tanambao II ao. Tapaka ny lalana ao amin'ny lalana arcole. Tetezana hazo tokana no hiampitan'ny olona. Eo amin'ny folo isan'andro eo ny olona, fa indrindra ireo ankizy handeha hamonjy fianarana, mianjera ao anatin'ny tatatra. Tsiahivina fa fony vao voalavaka io tatra io dia efa ho dimy izay ny olona naratra mafy niamita io tatatra io. Ninia tsy nanaja ny filazana ny fahatapahan-dalana avokoa izy ireo. Loza mitatoa ho an'ny mpandeha antogotra io tatatra io amin'izao fotoana izao.
Jean-Claude STEVE


1046midi-mg-001219-2032-29022008 Ar. 100 tapitrisa ny entana kilan'ny afo
Ar. 100 tapitrisa ny entana kilan'ny afo
  Ny alarobia alina tokony ho tamin'ny 10 ora no nirehitra ny stands miisa 12 tao amin'ny Toby Pochard etsy Soarano. Araka ny filazan'ny delegen'ny tsena ao dia tafakatra hatrany amin'ny 100 tapitrisa Ar. ny tentim-bidin'ny entana kilan'ny afo. Ny toerana fivarotana Arts Malagasy no tena simba. Araka ny filazan'Ing delege ihany dia tao amin'ny tsena fivarotany no niandohan'ny afo. Ny nahatonga ny fahamaizana kosa tsy mbola fantatra hatramin'izao. Maro ny entam-barotra lasa lavenona toy ny zaitra (broderie). Teo koa ny vato sarobidy, ireny karazany fametaka amin'ny firavaka volamena ireny, telo sakaosy no indray potika; ary koa ireo pierres industrielles. Ny asa tanana, toy ny sarisikotra dia nisy may ihany koa. Enina ny mpiambina miasa ao amin'ny alina. Afovoan'ny toerana no nisy ireo stands may ireo. Tsy ny entan'ireo tompon'ny fivarotana ireo ihany no may tamin'io alina io fa misy an'olon-kafa. Nanampy ireo olona tamin'ny famonoana ny afo ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Araka ny filazan'ity tomponandraikitra ity ihany dia somary nisy fahasarotana ny fiantsoana an-tariby an'ireo mpamonjy voina ireo tamin'io fotoana io. Ny polisy avy ao amin'ny Gara no niolomay nandeha bisikileta nampandre azy ireo.
r.s.  


1058midi-mg-001232-2049-01032008  DJ  iray namoy ny ainy
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
 DJ  iray namoy ny ainy
Lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Andohananalakely omaly tamin'ny 2 ora maraina. Dimy mianadahy izy ireo no tao anatin'ilay fiara Peugeot 309, mpiasa amin'ny haino aman-jery iray eto an-drenivohitra ary Disc Jockey (DJ) ny iray. Nanoloana indrindra ny biraon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no niseho ny loza. Nandeha mafy avy any Ambohijatovo any ilay fiara, tsy voafehin'ilay mpamily ary nivadika. Vokany, naratra mafy ireo mpandeha ary tsy tana ny ain'ny iray. Potika tanteraka ilay fiara ary saika tsy tafavoaka tao anatiny mihitsy izy dimy mianadahy mpandeha. Ny sasany tamin'ireo nanatri-maso niezaka nisikotra azy ireo, ny sasany kosa niantso ny mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna noho ny hasarotan'ny famonjena. Tafavoaka soa aman-tsara ihany ireo ary nalefa haingana teny amin'ny HJRA. Namoy ny ainy ilay mpampandihy fanta-daza no sady mpanolotra fandaharana. Efa nalefa nody kosa ny iray tamin'ireo tovovavy naratra raha mbola tsaboina ao amin'ny  réanimation  ny telo. Raha vao tamin'ity herinandro ity no nahafaty an'i Hery DJ dia izao nisy namany maty izao indray.
Aina R.


1058midi-mg-001233-2050-01032008 Olona 22 voapoizin'ny sakafo
Olona 22 voapoizin'ny sakafo
Olona 22 no indray naiditra hopitaly tetsy amin'ny HJRA omaly fa voapoizina tamin'ny fihinanana sakafo teny Bemasoandro Itaosy. Raha ny fitantaran'izy ireo dia samy nihinana  composé  tao amina hotely kely iray izy rehetra. Nisy hatramina zaza 1 taona monja ireto olona voapoizina ireto. Miakatra be ny hafanan'ireo marary, mangatsiaka tampoka avy eo ary mangovitra. Maharary mafy ny kibo ary mandoa sy mivalana. Rehefa avy nahazo fitsaboana ny 14 tamin'ireo marary dia nalefa namonjy fodiana. Ny valo ambiny kosa nalefa nanaraka fitsaboana eny amin'ny CSB II Itaosy. Hatramin'izao dia tsy mbola voafaritra mazava na ny mayonnaise tamin'ilay composé no nanapoizina ireo marary na ny menaka nampiasain'ilay mpivarotra hani-masaka. Efa miezaka manao ny fikarohana ny tomponandraikitra.
Aina R.


1059midi-mg-001235-2052-01032008 Eny Antanimora ireo Irakianina roalahy
Pasipaoro sandoka. Nalefa etsy Antanimora vonjimaika izy roalahy mandram-piandry ny fitsarana azy. Tsy naverina araka ny feo nandeha tany amin'ny toerana nihaviany izany izy ireo fa hotsaraina eto Madagasikara...
Eny Antanimora ireo Irakianina roalahy
Tapitra ny fanadihadian'ny polisy. Efa eny am-pelantanan'ny Fitsarana izao ny raharaha. Nalefa etsy Antanimora ireo Irakianina roalahy omaly rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Noho ny fampiasana pasipaoro hosoka sy tsy fananana visa ara-dalàna no anenjehan'ny lalàna azy ireo. Tany Nosy Be izy roalahy no sarona ary raha araka ny vaovao azo koa saingy tsy mbola tena fantatra izay fahamarinany dia tao ihany koa no nanamboarana io pasipaoro sandoka io. Ao Antanimora izany izy roalahy mandram-piandry ny fitsarana azy. Avy eo hita indray raha hotazomina eto amintsika na halefa mody any amin'ny tany nihaviany. Ny tsy azo lavina dia ny hoe, tadiavin'ny sasany atao toerana fiondranana mba hanaovana hosoka i Madagasikara.   
Laharam-pahamehana
Soa ihany fa mailo ny mpitandro filaminana, eny fa na dia tsy ampy an'isa aza izy ireo raha mihoatra amin'ny velaran'ny nosy. Indrindra fa ny sisin-taniny. Tao anatin'ny fotoana nahasarona ireo Irakianina ireo ihany koa no nisy vazaha hafa tsy fanta-pihaviana nigadona teto amintsika. Pasipaoro malaizianina sandoka kosa tamin'ity indray mitoraka ity no nampisain'izy ireo. Ireo tranga roa ireo ihany dia manaporofo fa tadiavin'ny sasany hatao toerana hanamoràna ny asaratsiny i Madagasikara. Soa fa efa omen'ny Fanjakana lanja bebe kokoa amin'izao fotoana izao ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fanaraha-maso ireo vahiny eto amintsika. Isan'ny vaindohan-draharahan'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny momba izany amin'izao fotoana izao. Tafiditra indrindra amin'ny fanavaozana napetraka eo anivon'io minisitera io izany.
Didi R.


1098midi-mg-001275-2095-03032008 Maty voatifitra ny saofera, 16 tapitrisa Ar. voaroba
TOAMASINA. Maraina teto Antananarivo, ny hariva tany Toamasina. Mamono olona ny jiolahy. Tsy miraharaha na iza na iza.
Maty voatifitra ny saofera, 16 tapitrisa Ar. voaroba
Niverina avy naka vola karaman'ny mpiasa ny olona roa, saofera iray ary vehivavy mpiandraikitra ny vola, no nisy nanafika 800 metatra tsy ahatongavana ao amin'ny orinasa iasan'izy ireo. Tany Toamasina, tamin'ny zoma teo tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany hariva, no niseho ity fanafihana nahafaty olona ity. Avy hatrany dia notifirin'ny sasany ilay mpamily. Niditra teo amin'ny fitaratra aloha ny bala ary niantefa teny amin'ny vavany. Raha nahita izany ilay ramatoa, dia niezaka nivoaka ny fiara nitondra ny vola hanatona ny orinasa SKT fanamboarana savony. Nenjehan'ireo olon-dratsy anefa izy ary tratrany. Tsy nanaiky hanome ilay sakaosy nisy vola anefa ity vehivavy ity ka niharan'ny vono ary naratra. Lasan'ireo mpandroba arak'izany ny 16 tapitrisa Ar.
Fanaon-dry zareo rehefa faran'ny volana ny mandeha mankany amin'ny banky maka ny karaman'ny mpiasa. Asa na efa nisy nahafantatra izany na tsia fa dia io no niafarany. Raha ny fandehan-javatra dia efa tetika maty paika tokoa ity fanafihana ity. Somary ratsy ny lalana mandeha akaikin'ny orinasa. Tsy maintsy mandeha mora ny fiara. Izany indrindra no nararaotin'ireo jiolahy.
Tsy kisendrasendra izany fanafihana izany. Araka ny vaovao dia nisy olona efa nahamarika ireto mpangalatra ireto nisaodisaody teny amin'ny manodidina talohan'ny nahatongavan'ireo mpaka vola. Nisy mihitsy aza ny nilaza ny mombamomba azy ireo. Ny iray manao volo rasta, ny faharoa nanao fanamiana polisy ary io no nolazaina fa nitifitra.
Rehefa azon'ireo olon-dratsy ilay volabe dia lasa nandositra izy ireo. Tsy nihafihafy mihitsy ry zalahy, araka ny vaovao ihany, napoakany ny basy teny aminy mba hamefena ny manodidina tsy hanaraka. Avy eo, nandray Scooter izay efa niandry teny lavidavitra teny ry zalahy dia iny no tsy hita intsony.
J.C.Steve/r.s. 


1098midi-mg-001276-2096-03032008 Olona roa maty nihinana trondro
Toliara
Olona roa maty nihinana trondro
Olona roa no maty tamin'ny fihinanana tondro, tany Toliara tamin'ny alakamisy lasa teo. Vehivavy ny iray ary ankizy ny faharoa. Olona 24 ihany koa no tsy maintsy naiditra hopitaly vokatr'izany. Rehefa nahazo fitsaboana izy ireo dia afaka namonjy ny fodiana avokoa. Namoaka didy ny tompon'andraikitra fa amin'izao vanim-potoana izao dia misy ny karazana trondro tsy azo hanina ka anisan'izany ny deba sy ny tety. Maro ny faritra voakasika tamin'ny fihinanana ireo hazandrano ireo: navatse, Andabizy, Andakoro, Sanfilo, Betania ary Tsimenatse.
Toy izao ny fisehoan'ny aretina, marary kibo ilay olona, izay no fiandohany. Rehefa avy eo, mangovitra ny tongotra sy ny vatany. Marary ny loha ary mihetsika avokoa ny hozatra rehetra amin'ny vatana. Mandoa sy mivalana. Ny fitiliana nataon'ny dokotera no nahalalana izany. Ny vaovao ihany no nahalalana fa amin'izao vanim-potaona izao dia misy ny lomotra ohanin'ny trondro izay mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny olona.
Eo anatrehan'izany dia namoaka didy ny tomponandraikitra mandrara ny fividianana hazandrano sy ny fihinanana azy ireny amidy eny amoron-dalana rehetra eny. Azo ohanina tsara kosa ny trondro hafa fa tsy maintsy hariana ny lohany sy ny taovany, 
izao fepetra izao dia miantra hatramin'ny aha-31 martsa 2008. Didy navoakan'ny tomponandraikitry ny jono izany. Manentana ny rehetra ry zareo amin'izany. Ny fitiliana nataon'ny dokotera tamin'ireo marary no nahalalana fa avy amin'ny fihinanana tondro voala etsy ambony no nahafaty ireo olona roa ireo.



1103midi-mg-001282-2138-04032008 Fiara roa nivadika, olona iray maty
Lozam-pifamoivoizana
Fiara roa nivadika, olona iray maty
Nifandona ny fiara roa omaly tamin'ny 7 ora maraina teny avaratry ny tanàna atao hoe Mandraza, dify an'Andranomanelatra raha avy aty Antsirabe. Tovolahy iray,18 taona, nitondra bisikileta no voadona ihany koa. Vokany, maty io lehilahy io. Fiara Land Rover iray no voalazan'ny vaovao fa vaky kodiarana. Tsy voafehy ny familiana. Tamin'izay fotoana izay, nifanena tamina taxi-brousse hiakatra ho any Antananarivo ilay izy. Mafimafy ny fifandonana ary dia samy nivadika ireo fiara. Nifatratra teny amin'ilay mpitondra bisikileta ilay taxi-brousse. Voadona mafy ny lohany ary naratra be teo amin'ny tendany. Niezaka nitondra azy teny amin'ny hopitaly ny olona saingy tsy tana ny ainy. Ao amin'ny tranom-paty ny razana amin'izao fotoana izao. Nisy kopian'ny nahaterahany tany aminy ary izany no nahalalana ny taonany. Nahitana nomeraona telefaonina maromaro ihany koa ary efa nantsoina ireo nomerao ireo.
Lova


1118midi-mg-001298-2155-04032008 Nalefa any am-ponja ireo voarohirohy
Nalefa any am-ponja ireo voarohirohy
Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona 8 mianadahy voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Hery DJ sy i Cynthia teny Ambohimanambola. Rehefa vita ny fakana am-bavany dia nalefa vonjimaika any am-ponja izy ireo. Nalefa eny Tsiafahy i Sol, ilay tena tomponantoka tamin'ny famonoana. Nalefa hotazonina vonjimaika any amin'ny fonjan'Antanimora kosa ireo 7 mianadahy ambiny, izay ahitana ireo vehivavy roa sy ilay zaza tsy ampy taona ary ireo efa-dahy nandray ireo entana halatra. Raha tsahivina dia ny alin'ny sabotsy teo no maty novonoin'ireto olon-dratsy ireto i Hery sy Cynthia, ary nalainy ny fitaovana fampandihizana sy ny fiara nentiny. Nahaliana ny olona tokoa ity raharaha iray ity, ka na hatrao amin'ny Fampanoavana aza dia mbola marobe ireo nitangorona nijery azy ireo.
Aina R.  


1118midi-mg-001299-2156-04032008 Notsindronina vy ny tendany, ary natsipy tao Ikopa
Notsindronina vy ny tendany, ary natsipy tao Ikopa
  Vatana tsy misy aina ary misy ratra eo amin'ny tendany no nampiakarina avy ao anaty ranon'Ikopa omaly vao maraina. Tsy iza ilay razana nampakarina fa ilay mpiasan'ny Paositra nisy namono. Efa hatramin'ny sabotsy alina no tsy hitan'ny fianakaviany Ra-Jean. Natao ny fifampilazana sy ny fikarohana rehetra saingy tsy hita ny razana raha tsy io omaly maraina io. Ny zaobaviny handeha hiasa no nahita ny olona mitangorona mijery ilay razana nampakarin'ny olona ka avy dia nahafantatra azy. Nampandrenesina ny fianakaviana ary tonga teny an-toerana nijery ilay razana.  Misy goaka be ny tendany, toy ireny notsindronina vy maranitra ireny, ary saika tafagorobaka aty ambadika mihitsy. Lasa mihemotra be koa ny valanoranony ambany , hoy i Hery, zaodahiny. Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ny razana, mialoha ny nandefasana azy tetsy amin'ny tranom-patin'ny HJRA.  
Misitery
Mbola misitery hatramin'izao ny mikasika ity vonoan'olona teny Tanjombato ity.  Tsy dia manana olana amin'ny fiaraha-monina loatra mantsy ratompokolahy, nefa dia izao nisy namono izao , hoy ny fianakaviany. Tsy nendahina koa anefa izy, satria mbola teny aminy daholo ny fitafiany, ny karatra maha mpiasan'ny Paositra azy ary ny vola 500 Ar teny an-tanany. Mpiasan'ny Paositra mbola am-perin'asa Ra-Jean izao nindaosin'ny fahafatesana izao. 47 taona izy ary monina eny Madera Namontana. Mpizara taratasy eny amin'ny faritra Soamanandrariny eny no asany andavanandro. Mbola nisy nahita izy ny marainan'ny sabotsy, niantsena teny amin'ny Paraky. Ny hariva kosa hamangy ny zanany eny Ankaraobato no nialany tao an-trano, ary izao izy hita faty teny amin'ny ranon'Ikopa izao. Efa mandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika izao vonoan'olona izao ny mpitandro filaminana.
Aina R.


1123midi-mg-001305-2163-05032008 Tovolahy kely narapaky ny voay
MANANJARY. Nisangy ve ilay voay sa tena ny hihinana ilay zaza mihitsy?
Tovolahy kely narapaky ny voay
Nandritra ny 45 minitra no nitondran'ilay voay tany anaty rano ny zazalahy kely iray antsoina hoe Jules, 8 taona, tamin'ny alarobia lasa teo. Tany amin'ny renirano antsoina hoe Androno Atsinanana no niseho ity zavatra ity. Dia-nifim-boay miisa hatrany amin'ny 12 no teo amin'ny fe sy teo ambany foitran'ilay zaza. Tsy nahafaty azy izany zavatra izany ary avotra soa aman-tsara ihany izy.
Avy niaraka tamin'ny dadatoany teny an-tanimbary ity tovolahikely ity tamin'io andro io. Efa tamin'ny 6 ora hariva tamin'io ary ndeha hamonjy fodiana ry zareo. Tsy maintsy miampita tetezan-tokana eo amin'ilay renirano. Ilay dadatoa no nandeha nialoha. Tafita ary tsy nisy nikitika, nanaraka avy ao aoriana i Jules. Avy hatrany anefa dia norambasan'ilay biby ka teo amin'ny feny no azony. Nentiny tany anaty rano ilay zaza.
Nifampitolona
Raha nahita izany ilay dadatoany dia niantoraka tany anaty rano hanavotra azy. Toa teny fetsy anefa ilay biby satria voalaza fa nentiny tany anaty rano lalina tany i Jules. Rehefa afaka kelikely dia napoitrany indray. Ny vaovao ihany no nahalalana fa naharitra hatrany amin'ny 15 minitra vao mipoitra ilay biby sy ny rembiny. Dia sahala amin'izay hatrany. Naharitra tany amin'ny 45 minitra tany vao votsotra teny am-bavan'ilay mamba ilay zazalahy. Niezaka namely antsy an'ilay biby ity dadatoany fa tsy nahavoa mihitsy.
Razambe
Nihorakoraka be izy mianaka. Tsy dia lavitra ny tanànany no misy ilay renirano ka vetivety ihany dia vory ny olona. Ankeviny ny fahitana ireo olona marobe no namotsoran'ilay voay ilay zaza. Rehefa tafakatra an-tanety ilay ankizy dia nalefa notsaboina tany amin'ny CSB II. Misy vehivavy antsoina hoe Pierrette nilaza fa nisy nanota fady teo an-tanàna ka izany no nangalan'ilay voay an'i Jules. Misy tantara mipetraka ihany koa mikasika ilay biby ary samy mahalala izany ny mponina. Nilaza ilay ramatoa fa razamben'ilay bandy kely io biby io. Matoa anefa izy mivoaka tahaka izao dia hisy loza hihatra amin'ny fianakaviana. Toy izao ilay fanotana fady: nisy olona namono omby nefa tsy nanome ny taovany ho an'ny voay. Izany no nampivoaka azy ireo. Masiaka tokoa ny mamba any saingy tsy mihinana olona. Ny alika sy ganagana manamorona eny dia laniny avokoa.
HAR


1123midi-mg-001306-2164-05032008 Mandroba sady manolana vehivavy
DAHALO MIRONGO BASY
Mandroba sady manolana vehivavy
Vehivavy telo voaolana, olona telo hafa naratra; lasa ny vola 600.000 Ar, omby 43, lamba, radio K7, kojakojan-dakozia ary fotsim-bary. Ireo no takaitra navelan'ny tarik'i Jaozafy Armand, dahalo raindahiny mampihorohoro any amin'ny Faritra Analanjirofo. Manao andiany any amin'ny 40 any izy ireo amin'izany, mirongo basy ary mitety tanàna mihitsy. Tao anatin'ny iray volana dia tanàna efatra no notafihin'izy ireo. Tao Ambalafamba ny 22 janoary, Antanatsara ny 25 janoary, Nanoharana ny 5 febroary ary Ambatovikina ny 21 fébroary, tanàna izay samy ao anatin'ny distrikan'i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo avokoa. Ankoatra ny halatra dia manolana ny vehivavy ao an-tanàna koa izy ireo.
Mirongo basy
Araka ny voalazan'ireo niharam-boina dia mitondra Kalachnikov ilay lehiben'ity andian-dahalo ity, ny sasany amin'izy ireo mitondra basim-borona ary ny ambiny mitondra famaky sy lefona. Mbola miriaria any anaty ala any izy ireo amin'izao fotoana izao. Efa misy ny opération manokana ataon'ny mpitandro filaminana ihazana ireto malaso ireto. Mitovy amin'ireny ataon'ny mpiady anaty akata any ivelany ireny mihitsy ny ataon'ireto jiolahy ireto, hoy ny tomponandraikitra iray ao amin'ny mpitandro filaminana tafaresaka taminay. Manafika tanàna izy, mandroba izay hitany ary rehefa mahazo dia misitrika any anaty ala, rehefa lany vatsy dia mipoitra indray manafika.
Lavitra andriana ity tanàna lasibatry ny dahalo ity satria any amin'ny sisin-tany manasaraka an'i Maroantsetra sy Mananara. Manao dia an-tongotra 4 andro vao mahita paositry ny zandary, hany ka manjaka tokana ny dahalo.



1123midi-mg-001307-2165-05032008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Mamory Ivato, maty voahosin'ny fiara. Tamin'ny alahady hariva tokony ho tamin'ny 6 ora mahery dia nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Mamory Ivato. Lehilahy iray no maty voahosin'ny fiara lehibe. Nivoaka avy nisotro tao amina bar iray izy ary hamonjy fodiana. Nibolisatra anefa rangahy ary avy hatrany dia nianjera tao ambany kodiarana. Maty tsy tra-drano teo izy.
 - Famakiana ny Perception ao Manakara. Olona roa nosamborina. Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpitandro filaminana mikasika ilay famakiana ny Perception tao Manakara ny alin'ny 2 marsa teo. Olona roa no nosamborin'ny polisy afak'omaly ary mbola nahatratrarana vola 120.000 Ar tany amin'izy ireo. Mbola tsy tratra ny tena atidoha nikotrika, mbola tsy hita ihany koa ireo volabe 160 tapitrisa Ar.
 - Isotry. Lehilahy nanjavona niaraka tamin'ny vola 2 tapitrisa Ar. Hitaky trosa eny Isotry no nialan'ity raim-pianakaviana ity tao an-tranony, tany Imerintsiatosika ny alahady teo. Trosa izay mitentina 2 tapitrisa Ar. Hatramin'izao anefa tsy hita izay nanjavonany. Tsy mbola fantatra na nisy namono, na nanjavona niaraka tamin'ny vola. Nametraka fitarainana eny amin'ny mpitandro filaminana ny vadiny ary efa mandeha ny fikarohana.
 - Analavory. Delegem-panjakana nahatratrarana omby halatra. Omby very tany Anosibe Ampanja ny herin'ny alahady teo. Hita tao an-tranon'io Delege io ireo omby very. Ny iray efa voatetika ary ny iray mbola velona. Natolotra ny Fitsarana tao Miarinarivo ny raharaha ary niditra am-ponja ilay Delege sy ny zanany iray.



1126midi-mg-001311-2169-05032008 Ady tany miteraka savorovoro
Diego
Ady tany miteraka savorovoro
Tamin'ny taona 2005 no nanao fangatahana ny tany, izay mirefy 3 ha, tao amin'ny hopitalin'ny marary saina ao Morafeno ny mpiasan'ny fahasalamana eto Diego. Taty tamin'ny 10 febroary 2006 vao nisy valiny ny fangatahana avy tamin'ny Minisiteran'ny Fahasalama amin'ny tokony handrasana io tokontany io. Natsangana ny komity mpitsinjara tany ary raikitra ny fisoratana anarana ho an'izay te-haka tany. Taty afara dia raikitra ny ady fa lasa vilana ny rasa ka izay lohandoham-pisorona ihany no nahazo. Tamin'ny sabotsy lasa teo no nanaovana ny fandrasana izany. Omaly maraina dia nisy ny fivoriana nataon'ireo izay tsy nahazo rasa miisa 65 tao amin'ny hopitaly CHHR Antsiranana. Nambaran'i Malaika, mpitsabo-mpanampy mitarika ireto ekipa ireto, fa mitaky tsy am-pihambahambana ny hisian'ny fitovian-jo eo amin'ny samy mpiasan'ny fahasalamana izy ireo. Mitaky ny mangarahara ihany koa amin'ny fitsinjarana an'io tany io. Nambarany ihany koa fa mety hitatra amin'ireo ambaratongam-pahefana maro ny fitakiana. Omaly io ihany dia niely ny tsaho fa ho samborina i Malaika fa mpitarika korontana ao amin'ny hopitaly.
Mahafeno fepetra
Raha naheno ny fitakiana ny komity, omaly, dia niantso ny mpanao gazety, nanazavany ny fomba fizarana io tany io. Nambaran'ny dokotera Jules, mpikambana ao amin'ny komity, fa nisy ny mason-tsivana natao ka ny mpiasan'ny fahasalamana efa mpiasam-panjakana raikitra tao anatin'ny dimy taona, monina sy mipetraka eto Diégo ary mahafeno ny fepetra ilain'ny banky no mahazo ny tany. Nisy ihany koa, hoy izy, ireo izay efa nisoratra anarana nefa niala, tao ny tsy nahafeno fepetra ka tsy nahazo ny anjarany amin'io tany io. Nambaran'ny Talem-paritry ny fahasalamana ato amin'ny faritra Diana, ny dokotera BE Sebastin, tamin'ny faran'ny taona 2007 iny fa: hisy tetik'asa ho ataon'ny Minisiteran'ny Fahasalamana amin'io toerana io, saingy taty afara dia nozarazaraina ny tokontany.
Olona tsotra mihoatra ny 200 no efa mipetraka amin'ny ampahan'io tany hiadivan'ny mpiasan'ny fahasalamana io, nanambola tamin'ny taona 1960 tany ho any, talohan'ny nanaovana titre sy borne ny tokontany. Miady an-trano amin'izao fotoana izao ny mpiasan'ny fahasalamana aty Antsiranana.
V.JCL 


1171midi-mg-001357-2217-06032008 Tsy mety mianatra ny ankizy fa lasa mizaha volamena
Mananjary
Tsy mety mianatra ny ankizy fa lasa mizaha volamena
Tsy mety mandeha mamonjy sekoly intsony ny mpianatra fa aleon'izy ireo mitrandraka volamena. Mahazo Ar 10.000 ka hatramin'ny Ar 30.000 ny zaza iray ao anatin'ny iray andro. Kaominina dimy any amin'ny faritry Mananjary no misy izao tranga izao. Efa mahatratra hatrany amin'ny 50% ny mpianatra no manao izany. Manomboka eo amin'ny 9 ka hatramin'ny 14 taona, amin'ny kilasy T2 ka hatramin'ny T4. Efa manana fisainan'olon-dehibe ireo ankizy ireo ka ny fitadiavam-bola no tena masaka an-tsainy. Tsy sahirana anefa ny ray aman-drenin'izy ireo. Ny vola azo dia azy ireo samirery.
Miteraka olana lehibe ity zavatra ity. Zaza mbola tokony ho any an-tsekoly nefa dia manao izao fitrandrahana volamena izao. Zary haolo ny EPP vokatr'izany. Tsy mandroso intsony ny fampianarana. Misy sekoly iray, tao anatin'ny 13 taona, mpianatra telo fotsiny no mba afaka CEPE. Saika isan-taona mantsy no ahitana ireo ankizy maka volamena ireo. Raha sendra misy miverina mianatra dia mamerin-taona hatrany. Etsy andanin'izany, tsy manara-penitra ny fotodrafitrasa amin'ny faritra maro ka mety ho izany no tsy mampazoto ny ankizy.
HAR 


1172midi-mg-001359-2220-06032008 Notaterin'ny mpangalatra ny entana
Sabotsy Namehana
Notaterin'ny mpangalatra ny entana
Ny alin'ny talata hifoha alarobia, tokony ho tamin'ny 1 ora, dia novakiana andian-jiolahy ny trano iray tao Ambohinaorina Sabotsy Namehana. Lasan'ireo mpandroba avokoa ny entana tao amin'ilay trano toy ny vata fampangatsiahana, milina fanjairana,  scooter ,  VTT  ary ny vilany. Tsy voafaritra ny isan'ireo mpangalatra saingy tombanana ho maromaro izy ireo matoa afaka nitondra ireo zavatra ireo.
Tsy nisy olona tao ambany rihana tamin'io alina io. Tao ambony kosa nisy mpianadahy. Tsy nihetsika mihitsy anefa izy ireo noho ny tahotra. Nosokirin'ireo jiolahy tamin'ny barre à mine ny varavarana nahafahany niditra. Nanara-po ry zalahy naka ny entana. Efa lasa ireo vao nampilaza ny manodidina izy mianadahy. Nilazana ny kartie mobily ary ireto farany no nampandre ny zandary tany amin'ny borigady.



1179midi-mg-001367-2232-07032008 Adala nihinana fatin'alika romotra
MANANJARY. Nanaikitra olona ny alika tsy manan-tompo. Niandry fotsiny ny tsy salama saina iray.
Adala nihinana fatin'alika romotra
Rehefa avy novonoin'ilay raim-pianakaviana ny alika nanaikitra ny zanany dia noraofin'ity adala iray teo an-tanàna. Nisy nahatsikaritra fa nohaniny ilay biby avy eo.
Omaly alakamisy, nisy olona roa voakaikitry ny alika tany Antsenavolo, kaominina 60 km miala an'i Mananjary. Ny volaohany dia lehilahy 21 taona. Ny faharoa, zazavavikely 7 taona. Samy naratra be izy ireo ary omaly ihany dia tsy maintsy nentina nankany Fianarantsoa ho tsaboina. Ho an'ilay vavikely, teo amin'ny ranjony no norambasan'ilay biby ary niala mihitsy ny nofon-dranjony. Tezitra mafy tokoa ny rainy ka tsy namelany raha tsy maty ilay alika. Nariana teny amin'ny sisin-dalana ny fatiny avy eo. Izany no hitan'ity adala ao an-tanàna ka nalainy. Nampidiriny tao anaty gony ary natosiny tamin'ny borety. Nandrahoany io ary nohaniny soa aman-tsara. Izany Lekara izany no anaran'ity olona tsy salama saina ity.
Alika mirenireny
Alika tsy manan-tompo io nanaikitra olona omaly io. Efa samy mailo avokoa ny mponina amin'ireny alika mirenireny ireny. Tsy any an-toerana ihany anefa no naharenesana olona nokaikerein'ny alika fa saika amin'ny faritra maro. Ny toerana famonoana omby any ambanivohitra rehetra any dia mahavory alika maro tokoa. Rehefa tsy ampy azy ny taimboraka avela eo dia lasa manaikitra olona izy ireny. Raha vao noana ny alika mirenireny dia mandripaka ny zava-manana aina ary miafara amin'ny fanaikerana olombelona mihitsy.
HAR 


1179midi-mg-001368-2233-07032008 Tapatapany
Tapatapany
 - Manandriana, zaza nisy nanary. Zaza voa teraka no nisy nanary teny amoron-dalana tany Mandriana Avaradrano omaly tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany antoandro. Miboridana izy io ary nihohoka tamin'ny fotoana nahitana azy. Araka ny dokotera dia vao haingana no napetraka teo io zaza rano io.
 - Talatamaty, lozam-pifamoivoizana. Niala tany an-trano ndeha hitsena mpianatra ny zazalahy iray 15 taona, ny alarobia teo. Rehefa niampita arabe anefa izy dia voadonan'ny fiara 405 iray. Naratra mafy tokoa ity tovolahy ity ary nentina notsaboina tany amin'ny hopitaly.
 - Masay, tondro izany. Ireo izay rehetra mandeha amin'iny lalana Masay iny amin'ny alina dia samy mahita  fa tsy vitsy ny lakana kely mitondra olona roa mandefa harato anaty rano. Tsy miafina mihitsy ry zalahy amin'izany. Ny fanontaniana mipetraka dia ity: aiza no ivarotana ireo trondro ireo?



1179midi-mg-001369-2234-07032008 Gony misy fasika, kidoro hanaovana firaisana any an-tsaha
Antsirabe
Gony misy fasika, kidoro hanaovana firaisana any an-tsaha
Hafa raha samy hafa ny an'ity jiolahy iray rehefa manao firaisana any an-tsaha izy. Gony misy fasika no solon-kidoro no hanaovany izany. Any anaty tanimboly rehetra any. Kalaza amin'ny halatra kisoa izy io. Nifanenjehan'ny olona izy tamin'ny fiandohan'ny herinandro. Farany tratra ihany tany anaty tanin-katsaka. Tsy izy irery fa nisy vehivavy roa niaraka taminy. Niampy gony misy fasika roa. Teny Ampasambahiny no nosamborina ireto olona ireto.
Izany 107 izany no anarambositra iantsoan'ny olona azy. Efa imbetsaka izy no tratra tamin'ny fangalarana kisoa ary efa noborian'ny olona ny sofiny. Tsy nety fay ny anao lahy fa raha vao tafavoaka ny fonja dia mamerina indray. Etsy andanin'izany, manahy mafy ny polisy eto Antsirabe ny amin'ny hisian'ny vaky trano marobe. Hihatra atsy ho atsy ny didy iray nivoaka mikasika ny fitazonana am-ponja ireo mbola tsy voatsara. Hohafainganina araka izay azo atao ny fitsarana azy ireo. Ho maro arak'izany ireo jiolahy voatana vonjimaika no tsy hijanona ela intsony any am-ponja any. Maro amin'izy ireny anefa no mpamerin-keloka.
Lova 


1179midi-mg-001370-2235-07032008 Olona 7 maty, 18795 traboina
SOFIA
Olona 7 maty, 18795 traboina
Tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Ivan dia fantatra izao fa anisan'ny nahita faisana tokoa ny faritr'i SOFIA. Olona fito no fantatra fa namoy ny ainy ary mahatratra hatrany amin'ny 18795 ny traboina. Be dia be tokoa ny fahasimbana teo amin'ny voly vary satria 950,6 Ha no tsy azo noraisiny intsony. Tototry ny fasika ny velarana 1475 Ha. Voly an-tanety mahatratra 2877,4 Ha no simba. Ho an'ny biby fiompy indray dia fantatra fa omby miisa 26 no maty.
Trano miisa 1796 no potika tanteraka ka ny 46 amin'ireo tranom-panjakana, CEG 7, EPP 65 ary CSB 5.
Misy distrika 7 ao amin'ny Faritr'i Sofia, kaominina 108 ary fokontany 1321. Mirefy 52 000 km2 ny velarany. Ny manahirana amin'izao fotoana izao dia ny afitsoky ny orana netin'ilay rivodoza niditra tany Antsiranana omaly. Tsy mety miala eny amin'ny faritra dibo-drano anefa ny mponina sasany.



1205midi-mg-001397-2266-08032008 NY VEHIVAVY
NY VEHIVAVY
Natao  hanafana fa tsy hameno banga
Natao hanjakana fa tsy  entina amin'ny sanga
N atao hiadanana fa tsy  hahen-danja
Natao jerijery amin'izato bika manja.
Tsy nindramina  idolàna  na koa ampideraina,
Tsy noheverina ho hafa fa azo andraindraina,
Tsy vady faharoa ka azo handangaina,
Tsy hoe tsizarizary, fa fo tena ILAINA.
Ny vehivay manko tsy  fan ka malemy,
Na heverina sahady  fa mora azo eny ho eny,
Fa AINA toy ny voninkazo. TSARA , atao hoe NENY
Tsy azo hamaivanana mihitsy ny habeny.
Izy no lanjan'ny tokantrano iray,
Herin'ny fitiavana raha tojo mahamay,
Ra'tsy mahatoky ianao...., andramo ange indraindray,
Ataovy anjorombala...., dia hanenina amin'izay.
Ka maninona àry! ....ndeha ezahana atao,
Ny hanaja azy ireny, tsy ho toy ny KILALAO
Tsy hahafatiantoka araka ny fihevitrao....
Fa VEHIVAVY afaka....., ifanandrina aminao!
 Naivo Nantsoina Holdina
Cahier GUIDE DE WEEK-END 

1219midi-mg-001412-2281-08032008 Simba ilay lakana nitondra taolam-paty halatra
MANANJARY
Simba ilay lakana nitondra taolam-paty halatra
Olona iray voasambotra, tafandositra kosa ny namany. Tratra nitondra taolam-paty roa gony miisa 164 ary milanja hatrany amin'ny 15kg izy ireo ny alakamisy teo, tany Mananjary. Tany amin'ny faritry Nosy Varika no nangalarana ireto taolana ireto ary izao nentina ho any Mananjary izao. Lakana no nitondran'ireo mpangalatra azy. Teo amin'ny tanàna atao hoe Ambahy ry zalahy no niakatra. Rehefa nanontanian'ny tompon'ny lakana izy ireo dia nilaza fa mangahazo sy fary no ao anaty gony. Nampiakarina tany ambony tafo izany.
Raha vao nandeha kelikely anefa dia nanomboka nanonja ny rano. Zavatra tsy fahita firy izany. Simba matetika ilay lakana ary tsy indray mandeha fa imbetsaka mihitsy. Amboarina ary simba hatrany. Tsy tonga tany Mananjary ry zareo raha tsy afaka andro iray sy tapany ary tsy maintsy natory teny an-dalana.
Tsy hita
Rehefa tonga tao Mananjary ny alarobia maraina dia notakiana ny sarandalan'izy roalahy. Niteny ireto farany fa mbola ho alaina vetivety izany. Tsy niverina intsony ilay nandeha naka vola. Tsy afaka niandry azy intsony ny tompon'ny lakana ka niteny tamin'ny anankiray fa hotazoniny ny entana. Nalaina ireo gony ary nosokafana ka tsy mangahazo sy fary no tao fa taolam-paty, taolon-dava marobe. Avy hatrany dia nandeha tany amin'ny polisy ny tompon'ny lakana nitondra ilay rangahy, 60 taona any ho any. Efa fotorana izy amin'izao fotoana izao. Tsy nety nilaza izay olona handray ny entana nentiny anefa izy. Efa nampiaka-peo ny mponina amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny nosy iny mikasika ity famakiana fasana ity. Anisan'ny faritra ahitana izany matetika iny Mananjary sy ny manodidina iny. Volana maromaro lasa izay no nahasamborana olona dimy nitondra taolana voalaza fa mbola misy nofo. Izany hoe, razana vao nalevina nefa nangalarin'ny sasany.
HAR 


1219midi-mg-001413-2282-08032008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ikopa, fatin-dehilahy. Lehilahy iray, 55 taona, no hita faty tao amin'ny ranon'Ikopa, ny alakamisy teo. Nanjono ity olona ity no izao lasa tany anaty rano izao. Efa nantsingevan'ny rano izy no nisy nahita. Tonga nampiakatra ny razana teny an-toerana ny mpamonjy voina.
 - Niteraka resabe tao Diégo ary saika nampisavorovoro ny saim-bahoaka ny momba ny fisamborana ilay lehilahy iray teo am-pihinanana katy. Raha ny marina anefa dia noho izy tafiditra tao anatin'ny raharaha Foroche no antony nisamborana azy fa tsy katy akory. Voatery nidina teny amin'ny kartie maro ny manam-pahefana tao an-toerana nanazava izany satria nisy akony tamin'ny filaminam-bahoaka ilay resaka. Ny antony dia saika mpihinana katy avokoa ny 90%n'ny lehilahy ao Antsiranana.
r.s sy VJcl 


1220midi-mg-001415-2284-08032008 Nahafaty olona indray ny taxi-be
AMPEFILOHA. Lozam-pifamoivoizana iray niseho teny Ampefiloha tamin'ny alakamisy hariva.
Nahafaty olona indray ny taxi-be
Rangahy efa lehibe mpanosika posy no nodomin'ny taxi-be iray. Avy aty aoriana no nofaohin'ilay fiara io olona io. Araka ny filazan'ireo nahita ny loza dia tafapitika lavitra ilay lehilahy. Novonjena nentina tany amin'ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Voadona mafy ny lohany ka io no nitarika ny fahafatesany.
Nandeha mafy
Tamin'io hariva io dia voalaza fa nandeha mafy tokoa ilay fiara. Tsy vao izao no nisy loza ateraky ny fandehanana mafy ataon'ny zotram-pitaterana sasantsasany eto an-drenivohitra. Teny Andravoahangy ambany tetezana, teny Ampetsapetsa sy ny faritra hafa tsy voatanisa.
Ny antony mahatonga ny loza amin'ny ankapobeny dia ny fandehanana mafy loatra. Indrindra rehefa mifanenjika ireo taxi-be. Misy ny mpandeha mba miteny ihany saingy tsy miraharaha izany ny mpamily. Eo koa ny fahanteran'ny fiara ampiasaina. Tonga ho azy ny patsa iray tsy omby vava amin'izay.
Tery dia tery ny lalana eto amintsika, ny fiara mifamoivoy mitombo andro aman'alina ka tokony ho jerena avokoa izany rehefa mampiasa fiara ny tsirairay.



1234midi-mg-001430-2309-10032008 FLASH-ECO :
FLASH-ECO :
Navalona R.
Economie 

1237midi-mg-001434-2313-10032008 Lozam-pifamoivoizana
Lozam-pifamoivoizana


1237midi-mg-001435-2314-10032008 Niampy folo indray ny nalefa eny Tsiafahy
Diégo
Niampy folo indray ny nalefa eny Tsiafahy
Olona folo indray izao no nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy tamin'ny zoma 29 febroary teo. Olona 28 izy ireo no nalaina avy any amin'ny fonjan'Ambanja, ka nafindra taty Diégo ny 18. Ny 10 kosa nalefa any Tsiafahy. Tamin'ny enina ora latsaka fahefany hariva no nahatongavan'izy ireo tao Diégo avy any Ambanja. Tamin'ny folo ora sy sasany alina kosa no niainga tany Antananarivo, tamin'io zoma io ihany. Iray no efa voatsara fa ny ambiny kosa dia mbola voatazona vonjimaika. Voampanga tamin'ny resaka halatra sy fanaovana herisetra tao Ambanja izy ireo. Izao no natao dia mba ho tohin'ny asa fampandriana fahalemana ny faritra Diana. Maro ny vahoaka mankasitraka ny asa fampandriana fahalemana ataon'ireo mpitandro filaminana aty Diana, fa ao koa ny mitady hamadika izany ho resaka pôlitika. Mbola mitohy ny asan'ireo kômandô avy aty an-drenivohitra.
V.JCL


1237midi-mg-001436-2315-10032008 Saika tsy tafapetraka ny boeing
Saika tsy tafapetraka ny boeing
Nananosarotra vao tafapetraka tao Sambava ny boeing an'ny Air Madagascar, omaly maraina tamin'ny sivy ora. Ny antony dia noho ny fitondran'ny olona iray mercure tao anatiny. Mazava loatra fa ny singa radioactif ao anatiny no nisy fiantraikany tamin'ilay fiaramanidina. Nosamborina avy hatrany ilay olona. Mercure fahefa-litatra no sarona niaraka taminy. 10 cl sisa no hita tao anaty sakaosiny satria vaky nandritra ny fidinan'ny fiaramanidina. Efa eo am-pelatanan'ny zandary ao an-toerana ny raharaha.
Rémi R.  


1238midi-mg-001438-2317-10032008 Teo am-baravarana no nahitàna ny fatiny
Antsiranana. Ny fatiny no novantanin'ireo zanany roa lahy handeha hamangy azy. Ny filahiany no nodarohan'ireo jiolahy ka nitarika ny fahafatesany.
Teo am-baravarana no nahitàna ny fatiny
Olona iray no nisy nanafika ka maty ny maraimben'ny alahady teo, tokony ho tamin'ny iray ora sy sasany tao Ambohimitsinjo. Mpiambina ao amin'ny toerana fatoriana sy fandraisam-bahinin'ny orinasa Jirama io niharan-doza io. Naheno antso vonjy ny manodidina azy ka nanontany. Mbola afaka namaly izy teo:  tafihan'olona aho fa vonjeo . Raikitra arak'izany ny famonjena azy. Olona roa no namono azy ary naolan'ireo, ohatr'ireny lamba ireny, ny filahiany. Tsy afa-nandeha mafy intsony ny lehilahy nanomboka teo satria narary mafy. Niantso ny lehiben'ny fokontany ny mponina. Solontena moa no nalefany. Tokony ho tamin'ny telo ora sy sasany maraina dia samy niverina nody ny fokonolona satria hita ho efa velona izy. Tamin'ny sivy ora dia tonga ny zanany roa lahy handeha hamangy azy. Saingy vao niditra teo am-bavahady dia faty no hita teo am-baravarana. Nambaran'ny dokotera nanao constat na fanatrehana imaso fa ny fanotahana ny filahiany no nahafaty azy. Tsy nisy nahita hatreto ny olona niditra, na namono azy tao amin'ny toerana fiambenany. Tonga tany an-toerana ny polisy judiciaire namotopototra ny zava-nitranga. Eo am-pikarohana izay nahafaty ity lehilahy ity ny polisy.
V.Jcl


1253midi-mg-001454-2336-11032008  Voter est un devoir 
Fidy RATSIMBAZAFY. Une délégation conduite par le chef de Région effectue des tournées d'une semaine dans la Région Analamanga. Interview.
 Voter est un devoir 
- Midi : Pourquoi cette tournée dans la région Analamanga ?  Est-ce une campagne contre l'abstention ?
- Fidy Ratsimbazafy :  Nous venons en aide à tous les autres sinistrés de la Région pour que la population ne vienne pas à penser que seul Tana en a bénéficié après les passages successifs des cyclones. C'est peut-être un peu tard, mais nous savons tous que plusieurs routes ont été coupées et cela ne nous a pas permis d'accéder à ces zones enclavées. Nous ne faisons pas une campagne contre l'abstention, c'est juste une façon de dire à la population d'Analamanga que chacun doit relever la tête et participer au scrutin du 16 mars .
- Midi : Bon nombre d'observateurs s'attendent à un taux d'abstention record pour les élections régionales
- F.R :   Ce ne sont que des supputations. Voter est un devoir pour tout citoyen. Nous sensibilisons la population au maximum, d'ailleurs c'est notre rôle au sein des Régions. Nous verrons les résultats au soir du scrutin .
- Midi : Croyez-vous que les gens connaissent vraiment le rôle des conseillers régionaux ?
- F.R. :  Certes, bon nombre de gens ne connaissent pas le rôle des conseillers régionaux. Et c'est justement pour cela que nous essayons de pallier à travers cette sensibilisation menée de concert avec les chefs fokontany et les autres responsables .
Propos recueillis  - par Karen Ramarofahitra 
Politique 

1265midi-mg-001467-2349-11032008 Ny mpiasany ihany no namono ilay ramatoa  Novonoin'ny jiolahy ramatoa be
Vonoan'olona
Ny mpiasany ihany no namono ilay ramatoa
Voasambotry ny mpitandro filaminana tany Ambohimiadana Andramasina ny tovovavy iray vao 19 taona niaraka tamin'ny sipany. Voarohirohy tamin'ny nahafaty ny vehivavy iray nonina teny Ambohidratrimo izy io andro maromaro lasa izay. Niasa tao amin'io ramatoa io ity tovovavy ity. Halatra no tena anton'izao vonoan'olona izao. Lasany tamin'izany ny telefaonina, firavaka volamena ary ny vola tao an-trano. Tamin'ny fomba feno habibiana no namonoan'izy ireo ilay olona. Tsatok'antsy maromaro no hita teny amin'ny vatan'ilay tompon-trano.
Nandeha avy hatrany ny fikarohana nataon'ny zandary ka dia izao tratra izao izy ireo. Tamin'ny famotorana natao ilay tovovavy no nilazany fa tsy izy irery no nanao ny heloka fa niaraka tamin'ny sipany izy tamin'izany. Ity farany kosa indray niteny fa nisy olona fahatelo hafa nanampy azy ireo.
 
Toliara
Novonoin'ny jiolahy ramatoa be
Notafihin'ny jiolahy ny tokantrano iray tao Andabizy Toliara ny 3 marsa lasa teo. Tsy tao ny tompon-trano fa ilay ramatoa mpanampy irery no tao. Nofatoran'ireo jiolahy lamba ny tendany ary notampenany ny vavany. Nodarohin'ireo mpanafika ilay ramatoa ka naratra mafy. Nentina teny amin'ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Lasan'ireo jiolahy ny solosaina finday, ny fakan-tsary roa, telefaonina finday roa ary kojakoja maro samihafa. Nandeha ny famotorana ka voasambotra ireo efa-dahy nanafika miaraka amin'ny mpanao ody gasy iray. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ao Toliara. Fianakavian'ny tompon-trano ihany ireto nanafika ireto, ary resaka fialonana no anton'izany.
r.s. - FRA 


1265midi-mg-001468-2350-11032008 Najifa ny entana tao an-trano
Ambohipo
Najifa ny entana tao an-trano
Mirongatra ny vaky trano. Tokantrano iray no lasibatry ny jiolahy tao Ambohipo. Lasa ny entana rehetra tao an-trano. Nadio tanteraka. Ny zoma teo no nitrangan'izany. Nihidy tanteraka ny trano. Nefa nahagaga fa mbola tafiditra tao ireo olon-dratsy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia avy eny amin'ny  plafond  no nidiran'ireo. Teo ihany koa no nivoahany. Manodidina ny 8 tapitrisa fmg ny tentim-bidin'ny entana very raha ny filazan'ny tompon-trano. Fantatra koa fa olona nanamboatra ny trano ihany no nanao izany. Nentina tetsy Anosy omaly io ary naiditra am-ponja vonjimaika mandram-pahatongan'ny fotoam-pitsarana azy.
D.R


1265midi-mg-001469-2351-11032008 Notapahany ny filahiany raha tratra nangalatra taolam-paty izy
MANANJARY. Tratra nitondra taolam-paty tanaty gony ity rangahy iray. Noho ny henatr'olona anefa dia aleony, hono, maty toy izay migadra.
Notapahany ny filahiany raha tratra nangalatra taolam-paty izy
Nanaitra ny maro teto an-tanànan'i Mananjary tokoa ity voavao iray ity tamin'ny sabotsy lasa teo. Tamin'ny fihazonana azy tany amin'ny paositry ny polisy ny lehilahy iray no tapa-kevitra ny hamono tena. Notapahiny tamin'ny hareza ny filahiany ka nikiraviravy. Ny tanany havia no nahafahany nandidy izany, ny tanany havanana kosa nifatotra. Efa tany am-paosiny io hareza io. Ny antony nanaovany izany dia ny fahamenarana ny fiaraha-monina. Ny vaovao no nahalalana fa tangalemana avy any amin'ny faritry Nosy Varika ity lehilahy ity. Nentina haingana nozairina tany amin'ny hopitaly izy ary efa tafatambatra indray ny maha lehilahy azy.
Nosamborin'ny polisy ity lehilahy ity fa tratra nitondra taolam-paty roa gony milanja hatrany amin'ny 15 kilao any ary miisa 164. Taolan-dava avokoa ireo. Tamin'ny alakamisy maraina izy sy ny namany iray no tonga teto Mananjary. Nandeha lakana ry zalahy avy any amin'ny tanàna atao hoe Ambahy. Nilaza tamin'ny tompon'ny lakana izy ireo fa fary sy mangahazo no ao anaty gony. Rehefa nampidinina ny entana ka nitaky ny saran-dalana ny tompon'ny lakana dia nilaza ny iray fa mbola ndeha halaina ny vola. Dia lasa ny namany iray haka izany. Tany anefa io dia tsy niverina.
Tsy nahandry ny tompon'ny lakana ka niteny tamin'ity nanapaka ny filahiany ity fa hotazoniny ny mangahazo sy ny fary. Nampidininy ny gony. Nosokafana ka ireo taolam-paty marobe no hita tao.
Nentin'ny olona avy hatrany tany amin'ny polisy ilay lehilahy ary dia notazonina tany. Ankeviny nokaikerin'ny nenina ka nanapa-kevitra ny hamono tena. Ny fanapahana ny maha lehilahy azy no noheveriny fa haingana indrindra. Tsy nahafaty azy anefa izany. Mainka aza nitombo ny fahafaham-baraka.
HAR 


1265midi-mg-001470-2352-11032008 Voasambotra niaraka tamin'ny basy
Andavamamba
Voasambotra niaraka tamin'ny basy
Nanomboka tany Ambatofinandrahana izy no notadiavina ary taty Andavamamba vao voasambotra. Ny zoma teo no saron'ny pôlisy avy ao amin'ny SUT i T.J.D, mpanao vato. Fanodinkodinana volan'olona sy vato Beryl Rose milanja 2,200 kilao izay mitentina 55 tapitrisa ariary. Mazava ho azy, ankoatra ny fahatratrarana ny basy MAB 6,35 mm teny aminy. Araka ny fanazavana avy amin'ny pôlisy, dia nivadihany ireo mpiara-miasa na  associés  taminy. Noreseny lahatra ireo fa raha tongany aty an-drenivohitra ny vato dia vetivety kely dia lafony. Resiny tamin'ny langolango dia nanaiky koa ireo. Saingy raha vao tonga taty Antananarivo izy dia adinony tanteraka ireo mpiara-miasa aminy ireo. Novonoiny hatramin'ny findainy tsy hahafahana mifandray aminy. Raha sendra azo an-telefaonina izy dia voatery niakatra teto an-drenivohitra ireo nony farany mba hahafantatra ny tena zava-nitranga. Napetraka teny anivon'ny pôlisy ny fitarainana. Nandeha ny fikarohana dia io sarona io i T.J.D. Natolotra ny Fampanoavana izy ny sabotsy teo ary nidoboka am-ponja vonjimaika.
Didi R. 


1269midi-mg-001475-2367-12032008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Anosy, naiditra am-ponja. Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ilay mpanampy vavy sy ny sipany namono nahafaty ny mpampiasa azy teny Ambohidratrimo tamin'ny faran'ny volana febroary teo. Novonoin'izy ireo tamin'ny fomba feno habibiana ilay ramatoa. Nangalariny ny vola sy ny firavaka volamena tao an-trano. Avy eo nandositra tany amin'ny faritra Andramasina izy ireo ary nikasa hanorim-ponenana tany.
 - Anosy, nofotorana teny amin'ny fitsarana ireo Irakianina. Niverenana nohadihadiana teny amin'ny fitsarana omaly ireo teratany Irakianina roalahy tratra nanao hosoka sy nampiasa hosoka teto amintsika. Tany Nosi-Be izy ireo no voasambotra ary tanana vonjimaika eny Antanimora amin'izao fotoana izao.
 - Ambohitsiroa, notsatohany antsy. Noheverin'ilay lehilahy fa ny vadiny izay nisaraka taminy efa ho enim-bolana ary nampodiana fa tsy nety intsony ilay olona nandry teo ampandriana ka notsatohany antsy teo amin'nys andriny, ny handriny ary ny lamosiny. Teny amin'ny faritra Ambohidratrimo no niseho izany tamin'ny alatsinainy tolakandro. Tsy ilay ramatoa anefa io fa ny rahavaviny. Raha nahita izany ny anao lahy dia nodidiany antsy ny tendany. Nandeha nihidy aman-trano izy avy eo. Nisy nahita ny rà teo am-baravarana anefa ka niantso zandary. Novonjena izy ka mba avotra soa aman-tsara ihany. Ilay vehivavy koa tsy naninona.
 - Andoharanofotsy, olona 6 nosamborina.  Olona enina no nosamborin'ny mpitandro filaminana omaly teny Mahabo Andoharanofotsy. Izay antony nisamborana azy ireo aloha tsy mbola mazava. Ho an'ny mponina manodidina anefa dia toa zary faritra fieran'ny jiolahy iny any Atsimondrano iny. Bandy sy totakely maromaro no efa tratra teny. Midadasika ny toerana ka rehefa avy manao ny asa ratsiny aty afovoan-tanàna ry zalahy dia eny no manorim-ponenana.
Nangonin'i r.s 


1270midi-mg-001477-2369-12032008 Trano nirehitra, voalaza fa misy lolo
AMPEFILOHA. Tamin'ny fomba hafahafa sy mampiahiahy ihany no nampirehitra ilay trano. Misy zavatra manakorontana amin'ny alina. 
Trano nirehitra, voalaza fa misy lolo
Tsy fantatray mihitsy izay nahatonga ny afo. Teo amin'ilay vata fampangatsiahana izay efa tsy miasa no nirehitra voalohany, hoy ny fanazavan-dramatoa Vero, tompon-trano. Hafahafa tokoa ity tranga niseho teny Ampefiloha omaly tolakandro ity. Tokony ho tamin'ny 3 ora latsaka fahefany teo no nanombokla nirehitra ny afo. Ary nitatra tsikelikely izany. Hafahafa satria vata fampangatsiahana efa tsy mandeha intsony no nirehitra ary nahamay ny trano iray manontolo. Notsoahina ilay izy satria mikasa ny hifindra trano izahay ka efa mangorona entana. Misy zavatra tsy mampatory mantsy ato amin'ny alina ka tsy tamana izahay, hoy ny tohin'ny fanazavany. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna ary voavonjy ara-potoana ny afo na dia maro ihany aza ny zavatra simba. Soa fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy.
Misy lolo
Misy lolo angamba ity trano ity, fa misy zavatra hafahafa ato. Raha maty ohatra ny jiro dia misy mandrehitra tampoka. Na misy mandefa ny radio amin'ny alina. Indray mandeha aza efa nisy voafelaka tehamaina tao anaty haizina ny iray taminay, hoy ny tompon-trano. Na ny olona eo amin'ny manodidina aza dia efa samy mahafantatra fa misy zavatra hafahafa sy mampatahotra ao amin'io trano io. Mpanofa ihany moa ireto olona niharam-boina ireto fa tsy tena tompony. Efa hatramin'ny zoma no niseho ireo zavatra hafahafa ireo. Tsy tamana izahay ka saika hifindra no izao niharam-boina izao, hoy ramatoa tompon-trano. Hany herinay dia ny miala haingana ary mivavaka mafy mba tsy ho azon-doza intsony. Na tamin'ny fotoana nampirehitra ny trano aza dia mbola nivavaka sy niantso an'Andriamanitra izy ireo. Hafahafa ihany ity tranga ity, samy manana ny fandraisany azy anefa ny tsirairay. Efa mandeha koa ny fanadihadiana hahafantarana ny tena marina rehetra.



1288midi-mg-001496-2404-13032008 Dorick no nenjehana, bandy hafa no azo
ASAN-JIOLAHY. Mitohy tsy mijanona ny fikarohana an'i Dorick sy ny namany. Nirotsaka an-tsehatra indray ny polisy omaly.
Dorick no nenjehana, bandy hafa no azo
Hetsika roa lehibe no notanterahin'ny mpitandro filaminana omaly teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teny amin'iny faritra andrefan'Antananarivo iny no nanatanterahana izany. I Dorick no nokarohina tamin'izany. Efa hatry ny afak'omaly alina no nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana hisamborana ity jiolahy malaza ratsy ity. Toa tafaporitsaka izy. Na izany na tsy izany, tsy nody an-tanam-polo ireo mpihaza. Voasambotra araka izany i Fano, jiolahy izay efa nokarohin'ny polisy efa ela. Anisan'ireo mpanafika mitam-piadiana eto an-drenivohitra izy ary naman-dry Dorick ihany koa. Efa betsaka ny zava-bitany. Maro amin'ireo namany no efa nalefa eny Tsiafahy.
Maro ireo efa tratra, saingy mbola miriaria any ry Dorick sy Lama ary ireo namany hafa.
Tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika ataon'ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fisamborana an'i Fano omaly dia nahazo vaovao izy ireo fa mbola misy namany hafa miriaria any. Manana fitaovam-piadiana mahery vaika ireto jiolahy ireto ka atahorana ny fifangaroany any anaty fiaraha-monina any. Nananosarotra ny fisamborana an'i Fano. Saika hanohitra mantsy izy ka voatery nampiasa hery ireo mpisambotra.
Manao izay fara-heriny mihitsy ny mpitandro filaminana hamongorana ireo olon-dratsy eto amintsika. Maro ireo ezaka efa vita toy ny fahatratrarana an-dry Titakely, ry Tiana masiso sy ry Naina be. Na izany aza anefa mbola any ry Dorick sy Lama ary ireo namany hafa, izay inoana fa tsy ho ela dia ho tratra.



1288midi-mg-001497-2405-13032008 Roalahy nandositra avy eny Anjanamasina, tratra teny Sabotsy Namehana
Zaza maditra
Roalahy nandositra avy eny Anjanamasina, tratra teny Sabotsy Namehana
Ankizy roalahy tazonina eny Anjamasina no nitsoaka avy eny, tamin'ny talata teo. Ny iray 17 taona ary ny faharoa 16 taona. Efa lasa lavidavitra ihany izy ireo voa tratra. Ny andro nandosirany ihany anefa dia voasambotra teny Sabotsy Namehana ry zalahy. Araka ny filazany tamin'ny famotorana natao azy dia tsy zakan'izy ireo ny fitenenana natao azy ka izany no antony nandosirany.
Halatra sy fanolanana no itazonana azy ireo eny amin'ny toerana fitaizana zaza maditra. Ilay 16 taona dia efa teny nandritra ny roa taona mahery. Ilay iray kosa vao am-bolana ihany. Niera hividy zavatra ry zalahy ary tany dia tsy niverina intsony. Ny zandary avy eny Sabotsy Namehana nanao fisafoana no nahatratra azy ireo.
Tsy fantatra na saika ho aiza ireto ankizy ireto. Lavitra ihany ny elanelana Anjanamasina sy Sabotsy Namehana na dia misy lalana manitsy aza mamakivaky lohasaha sy tanàna maro. Ankeviny efa tetika maty paika ny azy roalahy ireto ka raha nahita irika kely fotsiny izy ireo dia lasa tokoa.
Akany fanabeazana moa no nisy azy ireo fa tsy dia fanagadrana loatra ka malalaka araka izany ny fivezivezen'izy ireo.



1288midi-mg-001498-2406-13032008 Dahalo dimy niaraka tamina basy no tratra
Amoron'i Mania
Dahalo dimy niaraka tamina basy no tratra
Hetsika roa lehibe no notanterahin'ny zandary tany amin'ny faritra Amoron'i Mania. Vokany, dahalo miisa dimy no voasambotra. Tamin'ny faha-3 marsa, tany Fenoarivo no tratra ny telo niaraka tamin'ny basy vita gasy iray sy bala 7,65m/m roa. Ny faharoa, noho ny fitarainana nataon'ny fokonolona tany Iadilalana Ambositra tamin'ny faha-9 marsa dia nosamborina ihany koa ny jiolahy roa. Ny voalohany antsoina hoe Lemora ary ny faharoa Levelo. Mbola karohina kosa ny namany iray atao hoe Miadana. Voarohirohy amina halatr'omby ry zalahy ireo. Tany amin'ny fokontany Mandrovana no nahasamborana azy. Fiaraha-miasa teo amin'ny zandary sy ny fokonolona no nahazoana izao vokatra izao.
Mitohy tsy mijanona ny hetsika ataon'ny mpitandro filaminana. Faritra anisan'ny tsy mandry fahalemana any amin'ireo toerana voalaza ireo. Andrenesana halatr'omby sy vonoan'olona matetika any ka na ny mpitandro filaminana aza mitondra faisana.
Anastase 


1288midi-mg-001499-2407-13032008 Vao nivoaka ny fonja dia nanafika ny patron-ny taloha
Halatra
Vao nivoaka ny fonja dia nanafika ny patron-ny taloha
Vao avy nivoaka ny fonja ny tovolahy iray 21 taona dia tratra nanafika ny mpampiasa azy taloha. Halatra vola Ar 3,6 tapitrisa no nangalariny tao amin'io mpampiasa azy io ary izay no nidirany am-ponja. Rehefa avy nangalatra io volabe io izy dia nandositra tany Analavory. Nisy feo avy any amin'io tanàna io fa misy tovolahy avy any Antsirabe miloka volabe amin'ny tourniquet. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra azy. Nigadra enim-bolana izy. Nivoaka rehefa vita ny saziny.
Raha vao tafavoaka anefa ny anao lahy dia nitondra namana telo hafa nanafika an'io mpampiasa azy io. Tsy mbola nahavita na inona na inona anefa izy ireo dia tratra, tamin'ny sabotsy teo. Nalefa tany amin'ny fitsarana izy ireo ary notanana am-ponja vonjimaika.
Mirongatra ny vaky trano eto Antsirabe. Vao tsy ela akory izao no nisy namaky ny fivarotana iray. Najifa avokoa ny entam-barotra vao avy novidina. Mifefy ilay toerana saingy tafiditra ihany ny mpamaky trano.
Lova 


1323midi-mg-001535-2446-14032008 Ombay mitady i Fabia
Ombay mitady i Fabia


1323midi-mg-001536-2447-14032008  
 
  Vehivavy miisa roa izao no fantatra fa namono tena omaly ary samy mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao. Ny voalohany dia vehivavy bevohoka. Araka ny vaovao dia nifamaly tamin'ny vadiny izy io. Zavatra noheverina fa tsy dia misy antony akory no nahatonga azy hanao izao fihetsika izao. Mitondra vohoka efa telo volana ramatoa. Nifanaraka izy mivady fa hividy akanjona bevohoka. Nandeha teny an-tsena. Akanjo iray ihany anefa no takatry ny vola. Dia izay no nitarika ny fifamaliana. Rehefa tonga tany an-trano ilay vehivavy dia nisotro fanafody famonoana biby. Ny vaovao re farany no nahalalana fa maty ilay zaza ao an-kibony.
Nandositra
Ny olona namono tena faharoa dia tovovavy iray 17 taona. Folo andro izy tsy nody tany an-tranon-dray aman-dreniny. Rehefa tafaverina anefa ny anao vavy dia mba nanadihady azy ny rainy. Nanontany izay toerana nalehany sy ny olona nitondra azy. Tsy niteny na dia indray mandeha akory aza ity tovovavy ity fa nangina fotsiny tamin'izao. Nampitahorina fa rehefa tsy hiteny dia ho entina any amin'ny polisy. Raha sendra nihodina kely fotsiny anefa ilay rainy dia narapany izay fanafody hitany tao an-trano. Avotra ihany izy rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy.
r.s.
 


1323midi-mg-001537-2448-14032008 Mpandroba voasambotra!
Mpandroba voasambotra!
Lasa ny fiara, lasa ny kojakoja rehetra tao an-tokantrano, nendahina hatramin'ny peratra mariazy aza. Ary ny tena loza, saika haolan'ireo jiolahy koa ramatoa raha tsy niteny ny vadiny hoe mitondra vohoka izy. Ny 27 febroary teo no nitrangan'ity asan-jiolahy ity tetsy Soavina-Atsimondrano. Nidiran'ny efa-dahy mitam-basy ilay tokantrano. Nofatorana izy mivady ary dia nanara-po nibata ny entana ireo jiolahy.  Tokony ho tamin'ny 3 ora maraina no tonga ireo jiolahy. Nopoirin'ireo tamin'ny bar à mine ny varavarana mba hahatafidirana tao an-trano. Tsy nisalasala ny nidaroka ireo rehefa tafiditra tao no sady nandrahona tamin'ny basy ihany koa , araka ny fitantaran'ireo niharan-doza. Tsy vitan'izay fa mbola nentin'ireo jiolahy hatramin'ny fiaran'ny tompon-trano ihany koa. Nipetraka ny fitoriana teny anivon'ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Taorian'ny fanadihadiana dia fantatra fa voasambotra, omaly sy afak'omaly, ny roa tamin'ireo nandray anjara tamin'ity fanafihana ity.
Didi R.


1323midi-mg-001538-2449-14032008 Mitantara ny nanjo azy
Mitantara ny nanjo azy
Ny talata teo no nanomboka tsy hita i Hery (anarana nindramina noho izy tsy ampy taona). Nirahin-jokiny hividy mofo akondro sy hanatitra CD amin'olona eo ampitan'ny tranony no nahitan'ny havany azy farany. Monina eny Andavamamba i Hery, 12 taona, ary teny izy no nisy naka an-keriny, araka ny filazany. Nisy roalahy be volombava izany nibata azy ary nampiditra azy tao anatina fiara minibus fourgon. Vao tafiditra tao izy dia notampenan'ireo mpaka an-keriny ny vavany sy ny masony ary nafatony ny tongony sy ny tanany. Nandeha ilay fiara ary tsy nijanona raha tsy tamina toerana misy ala kely izany. Nisy ankizy 5 hafa tao amin'ilay toerana nitazonana azy, araka ny fitantarany ihany. Ankizilahy roa sy ankizivavy telo. Tafaporitsaka tampoka anefa izy tamin'ny fotoana sendra nahavariana ireo mpaka an-keriny, ka lasa nandeha an-tongotra namonjy fodiana. Omaly izy no nalain'ny polisy am-bavany ka eo no hahafantarana ny marina, raha tena nisy naka an-keriny marina na ahoana.
Aina R.    


1342midi-mg-001558-2507-15032008 Tovolahy maty voatsindrona antsy
Tovolahy maty voatsindrona antsy


1342midi-mg-001559-2508-15032008 Rangahibe maty kilan'ny afo
SABOTSY NAMEHANA
Rangahibe maty kilan'ny afo
Kila tsy nisy noraisina ary saika lasa lavenona mihitsy ny vatan'ilay rangahibe teny Sabotsy Namehana. Nirehitra ny trano fonenany afak'omaly tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany alina, ary tavela tao anaty afo tao izy. Efa lehibe koa izy, mananika ny 75 taona, ka izay angamba no tsy nahafahany nanavo-tena intsony. Izy sy ny zanany iray no miara-mipetraka tao amin'io trano io, ary avy ao amin'ny efitra fatorian'ingahibe no nanomboka nirehitra voalohany. Araka ny fanazavan'ireo olona teny an-toerana dia afon-dabozia tao an-doha fandriana no nampirehitra ny trano. Resin-tory ingahibe ka tavela teo ny jiro labozia ary izao niafara tamin'ny loza mahatsiravina izao. Soa fa nalaky nahatsiaro ilay zanany ka mba afaka niantso vonjy sy namono ny afo. Niezaka nanao izay fara-heriny ny fokonolona tamin'ny famonoana ny afo saingy indrisy fa tsy avotra intsony ingahibe. Nisy avotra soa aman-tsara ihany ny ampahan'ny entana tao amin'ny efitra sasany.
Resaka hain-trano ihany. Levon'ny afo ny antsasamanilan'ny entana tao amina tokantrano iray teny Ambatoroka, omaly, vokatry ny firehetan'ny efitra iray ka nitatra nahazo ny trano iray manontolo. Tsy nisy ny aina nafoy.
Aina R.


1342midi-mg-001560-2509-15032008 Vehivavy indroa nigadra, mpitarika mpisoloky
Vehivavy indroa nigadra, mpitarika mpisoloky
  Fisolokiana maro sosona no vitan'ireto andian'olona miisa fito teto an-drenivohitra. Nosamborina tamin'ny faha-5 marsa teo izy ireo. Vehivavy efa nigadra indroa no fantatra fa lehiben'izy ireo. Orinasa sy mpivarotra maro no efa voasolokin'izy ireo. Anisan'izany ny mpivarotra simenitra izay nahazoany Ar. 100.000.000, mpivarotra vatomamy nahazoany Ar. 39.000.000, ary fiangonana katolika iray nahazoany Ar. 11.800.000. Ny fantatra farany dia ny mpivarotra couche-na zaza teny Betongolo izay voa Ar.20.000.000. Taratasim-bola hosoka hatrany no omen'ireo olona ireo. Rehefa vita ny fifampiraharahana dia alainy ny entana ary milaza ry zareo fa efa narotsaka any amin'ny banky ny vola. Ilay fisolokiana teny Betongolo no nahatratrarana azy ireo. Hitan'ny tompony namidy morabe teny Isotry ny entana. Mahina ireo tompony ireo ka nandeha tany amin'ny banky. Tamin'izany no nahafantarana fa taratasim-bola tsy misy antoka no nalefa tany. Nametraka fitarainana tany amin'ny mpitandro filaminana ry zareo. Natao ny fikarohana ary tratra tany Moramanga ny roa tamin'ireto mpisoloky ireto. Ny sasany kosa teny Ampasika. Tamin'ny ifasavan ny tranon'izy ireo teny Fenoarivo sy Andranomanalina no mbola nahita couches 15 fonosana sy vola Ar. 430.000. Nisy ihany koa taratasim-bola halatra maromaro sy certificat de liberté amin'ny anaran'olona samy hafa. Mbola tratra tany koa ny karazana ody ahitana sorabe sy vola 50 sy 1 000 Ar. fampiasan'ilay vehivavy. Efa naverina amin'ny tompony ireo entana mbola tratra tany amin-dry zareo. Mbola misy naman'izy ireo karohina amin'izao fotoana izao. Omaly zoma 14 marsa no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo.
r.s.  


1343midi-mg-001562-2516-17032008 Mpanao rugby nifanindrona antsy, iray no maty
MANJAKARAY
Mpanao rugby nifanindrona antsy, iray no maty
Nifamaly ary niafara tamin'ny ady ny resaka baolina nataon'ireto samy mpanao rugby teny Manjakaray tamin'ny sabotsy teo tokony ho tamin'ny 5 ora. Dimy izy ireo no niresaka. Nisy anefa ny tsy fitovian-kevitra ary dia niakatra ny feo. Ny efatra tamin'izy ireo no nifanandrina, telolahy andaniny ary iray ankilany. Ny vaovao voaray no nahalalana fa namoaka antsy ny iray tamin'izy telolahy. Voasambotr'ilay saika hasiana anefa ny antsy. Io no nataony fiarovan-tena sady namelezany. Voa tamin'izany ny iray tamin'ireo nifandrina taminy ary dia izany no nitarika ny fahafatesany.
Nitolo-batana
Tsy nijanona teo ny raharaha fa saika lasa ady saritaka. Nandeha nandositra nanavo-tena ilay nahavoa tamin'ny antsy. Nokarohin'ny fokonolona izy saingy tsy hita izay nalehany. Nandrasan'ny fokonolona tany an-tranony izy nony farany. Efa tena alina anefa vao sahy nody ity olona notadiavina. Akory ny hatairany fa tapitra simba ny entana rehetra tao an-tranony. Tsy sahy nijanona teny an-toerana izy fa lasa nandeha indray. Omaly maraina dia nandeha nitolo-batana teny amin'ny zandary teny Fiadanana izy. Tsy ry zareo eny anefa no misahana iny faritry Manjakaray fa ny eny Betongolo, izay misy ny Brigade Tana Ville, ka dia nalefa eny ilay tovolahy.
Samy mpiray tarika ihany moa ireto nifamono ireto.



1343midi-mg-001563-2517-17032008 Nodorana ny jamalan'ny maman'i Lola
Antsiranana
Nodorana ny jamalan'ny maman'i Lola
Jamala na rongony 23 Kg no tra-tehaky ny Police judiciaire tao an-tranon'dRtoa Julienne na maman'i Lola, tao amin'ny fokontany Mahatsara, nandritra iny raharaha navaivay teto Antsiranana iny tamin'ny volana desambra teo. Maman'i Lola dia efa nampihaiky ny maro noho izy mpamatsy rongony an'ity tanànan'i Diégo ity. Nodorana ireo jamala ireo tamin'ny zoma lasa teo. Nandritra io fotoana io no nanazavan'ny  Kaomisera Nicolas avy ao amin'ny P.J.  ny fomba nisavana ny tranon'i maman'i Lola tao Mahatsara. Nambarany fa ao ambanin'ny saribao no fanitrihan'ity vehivavy ity ireo rongony. Nihaiky ihany koa i maman'i Lola nandritra ny famotorana natao azy fa tena mpivarotra io jamala io no asany. Efa in-10 nosamborina izy mahakasika io raharahana rongony io saingy tafavoaka hatrany. Tamin'ity faha-11 ity dia tsy afaka nitsoaka intsony izy fa any Antanirora no niafarany. Mbola ho vosotra ve sa ...?
Menaka rongony
Maro eto Diégo no mivarotra io rongony io ary misy aza ny mivarotra ny menaka azo avy aminy, hoy ihany ny Kaomisera Nicolas. Efa misy roa litatra eo ho eo no tra-tehaky ny PJ. Ny fivarotan'izy ireo azy dia asiana menaka girofle eo amin'ny vavan'ilay jerikana mba tsy hahenoana ny fofony. Mbola mitohy ny asa fikarohana ny foibe mpanamboatra io menaka rongony io eto Diégo.
V.JCL 


1343midi-mg-001564-2518-17032008 Fiara 6 potika, olona 3 naratra mafy
TAXI-BE TAPAKA FREIN. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tetsy Ambohipo omaly antoandro. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy.
Fiara 6 potika, olona 3 naratra mafy
Olona telo naratra mafy, fiara enina potika. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Ambohipo omaly antoandro, tokony ho tamin'ny 12 ora. Taxi-be, zotra 156, no tapaka frein ka nahatonga ny loza. Tamin'iny fidinana mihazo ny tsenan'Ambohipo, manoloana indrindra ny biraon'ny Jirama, no niseho ny loza. Niridiridy avy any ambony any ilay taxi-be. Nivily tampoka ka nandona ity Peugeot 309 ity. Nivadika izy ary nianjera teo ambonin'ilay Renault express, araka ny fitantaran'ilay mpivarotra amoron-dalana nahita tsara ny fisehon'ny loza. Ankoatr'ireo fiara telo voatanisa etsy ambony ireo dia mbola nisy Renault express iray, Golf ary fiara iray hafa ihany koa voadona. Io fiara farany io indray avy eo no mbola nandona ireo mpivarotra teo amoron-dalana. Nisy tamin'izy ireo aza nianjera tany anaty tatatra misy rano maloto, ary ny entany voatsindrin'ilay fiara tao.
Nieren-doza
Soa fa tsy nisy ny aina nafoy, na dia mafy aza ny fifandonana. Olona telo no naratra mafy. Ny iray mpandeha tao anatin'ilay zotra 156, ary ny roa hafa mpivarotra teo an-tsisin-dalana izay voafaoka. Efa samy nalefa eny amin'ny HJRA avokoa ireo. Ireo mpandeha sasany tsy dia voa mafy kosa samy nandeha namonjy fodiana.
Tazako nandeha mafy avy any ilay fiarabe, najanoko haingana ny fiarako ary nikisaka teo amin'ny seza ilany aho niaro ny vady aman-janako, hoy kosa ilay mpamilin'ilay Renault express voatsindry tao.
Fotoana nahabe ny olona mpandalo tamin'iny lalana iny no nitrangan'ny loza, soa aza fa nalaky tafajanona raha tsy izay faty olona marobe no teo. Zotra mpitatitra olona mampitohy an'Ambohipo sy 67Ha ity niharan-doza ity, ka asa indray izay fanapahan-kevitra ho raisin'ny tomponandraikitra.

Lire aussi - Manjakaray : Mpanao rugby nifanindrona antsy, iray no maty - Antsiranana : Nodorana ny jamalan'ny maman'i Lola 


1343midi-mg-001565-2519-17032008 Vehivavy bevohoka 8 volana nisy naka an-keriny
KIDNAPPING. Hiverina indray ve ny tsy fandriampahalemana? Nijanona ny asan-jiolahy, miseho ny fakana an-keriny.
Vehivavy bevohoka 8 volana nisy naka an-keriny
Vehivavy tokony ho 28 taona eo, bevohoka, Salma no anarany, no nisy naka an-keriny teny an-dalana ny zoma teto an-tampon-tanànan'i Diégo. Teny an-dalana handeha hisafo any amin'ny hopitaly izy no izao nisy naka an-keriny izao, araka ny fanambaran'ny vadiny. Tsy nisy olona nahita ity zavatra ity. Ny message azon'ny vadiny tamin'ny finday no nahafantarana izany. Ny sabotsy izy no nahazo izany hafatra izany avy tamin'ny nomerao orange milaza hoe: aty amiko ny vadinao ary efa nesoriko ny zaza tao an-kibony.
Bevohoka valo volana ity ramatroa nalaina an-keriny ity. Mpivarotra ao amin'ny Bazary kely ao amin'ny Pavillon Américain izy. Efa natao ny fanambarana tany amin'ny mpitandro filaminana; natao ihany koa ny fikarohana rehetra saingy mbola tsy hita izy hatramin'izao. Tsy nety nilaza ny zavatra tadiavainy io olona naka an-keriny azy io ary tsy nambarany ny antony hitazonany an'ity vehivavy ity. Efa natao ny réquisition any amin'ny orange hahafahana mamantatra ny tompon'ny nomeraon'ilay finday nandefasana ilay Sms. Anio no ho fantatra ny valiny.
Fandriampahalemana
Tsy mbola azo lazaina milamina loatra ny eto Diégo amin'izao fotoana izao satria herinandro katroka izao no nisy namono ny mpiambina tao amin'ny JIRAMA. Dia izao misy manao takalon'aina izao indray ny vehivavy bevohoka ka mampanontany tena. Nihevitra ny mponina fa hiverina mora ny fandriampahalemana tamin'ny nandravan'ny mpitandro filaminana ireo andian'olona nampihorohoro. Tsy izany anefa no miseho. Raha ny eto an-tampon-tanàna dia tsy mbola maro ny olona sahy mandeha amin'ny alina, ohatran'ny teo aloha. Tsara raha handraisana fepetra hentitra mihitsy izany mba hamerenana izany Diégo izany.
V.JCL 


1369midi-mg-001592-2559-18032008 Potika 80% ny voly jirofo any Maroantsetra
Potika 80% ny voly jirofo any Maroantsetra
  Tsy misy antenaina intsony ny vokatra jirofo amin'ity taom-pihotazana 2008-2009 ho avy ity. Taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Ivan dia fantatra izao fa potika 80% ka hatrany amin'ny 85% any voly any amin'ny faritra Analanjirofo. Ireo distrika enina ao anatin'ny faritra dia voakasika avokoa: Vavatenina, Fenerive-Est, Soanieran'Ivongo, Sainte-Marie, Mananara Nord ary Maroantsetra. Samy mpamokatra jirofo avokoa ireo distrika ireo. Raha nantenaina ho tsara ny vokatra dia indrisy fa namela takaitra tsy azo kosehina ilay rivodoza. Tsy ny jirofo ihany anefa no potika fa tratra ihany koa ny voly maro hafa. Ny andro ratsy anefa mbola ahiana hiverina hatramin'ny faran'ny volana aprily. Mihamitombo hatrany ny ahiahin'ireo mpamboly eo anatrehan'izany. Antso ataon'ireo mpamboly ny mba hijerena azy ireo manokana. Anisan'ny mampiditra vola vahiny ihany koa mantsy ny voly jirofo amin'ny alalan'ny fanondranana izany any ivelany. Anisan'ny mpanondrana izany i Madagasikara. Tsy ny any Analanjirofo ihany anefa no voakasiky ny faharavana fa ao ny faritra maro toa an'i SAVA, DIANA amin'iny avaratry ny nosy iny. Fotodrafitrasa maro no simba. Tsy maintsy mamorona vaovao indray raha manantena hahita vokatra amin'ny taona ho avy. Ny hoenti-manana anefa marefo dia marefo.
r.s.


1369midi-mg-001593-2560-18032008 Voaheloka indray i Tsimibôsy
FITSARANA
Voaheloka indray i Tsimibôsy
Nisotraka omaly ny fotoam-pitsarana ny ady heloka bevava. Nisantatra izany ny raharahan-dry Tsimibôsy na i Tsimianantse. Tsy iza io fa ilay jiolahy malaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana sy fanolanana teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa voatazona eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy izy manefa sazy noho ny heloka hafa nataony. Omaly anefa dia mbola nandalo Fitsarana indray izy noho ny raharaha fanafihana mitam-piadiana nitranga tamin'ny 2004. Olona telo izy ireo no nandalo teo anoloan'ny mpitsara ka ny roa afaka noho ny fisalasalana fa i Tsimibôsy kosa voaheloka hiasa an-terivozona mandram-pahafatiny. Maro loatra ny heloka sy ny vonoan'olona nataon'ity jiolahy ity ka tsy mahagaga raha hahazo ny sazy faran'ny henjana indrindra. Ankoatra ny raharahan'i Tsimibôsy, dia mbola maro ireo raharaha henjana handalo eny amin'ny Fitsarana ny ady heloka bevava.
Aina R.


1369midi-mg-001594-2561-18032008 Tovolahy 16 taona maty an-drano
Ikopa.
Tovolahy 16 taona maty an-drano
Tovolahy kely, 16 taona, no natelin'ny ranon'Ikopa teny Andohotapenaka ambadiky ny CDA, omaly. Ny vaova voaray no nahalalana fa nandeha nilomano teny amin'iny ranobe iny izy io. Tsy fantatra izay nahazo azy fa avy hatrany dia nilentika. Nantsoina ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Naharitra 40 minitra ny fikarohana vao hita ny razana. Tsy nisy taratasy nahafantarana ity olona ity. Ny manodidina koa tsy misy mahalala azy. Napetraka ao amin'ny fokontany ny razana.
Maromaro tato ho ato ny olona maty teny Ikopa. Tany amin'ny faritry Mahitsy, tamin'ny herinandro lasa, dia tovolahy kely iray, 13 taona, no hita faty tanaty rano.
Tamin'ny faran'ny herinandro, olona nitondra fiara koa no latsaka tany ary dia namoy ny ainy. Ilàna fitandremana tokoa ny milomano eny Ikopa amin'izao fahavaratra izao na dia efa herinandro maro aza no tsy nirotsaka ny orana.
r.s.


1369midi-mg-001595-2562-18032008 Raim-pianakaviana maty voatifitra teo amin'ny fony
Raim-pianakaviana maty voatifitra teo amin'ny fony
  Raim-pianakaviana iray, 37 taona, no maty notifirin'ny jiolahy tamin'ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy tokony ho tamin'ny 3 ora, teny amin'ny faritra Avatra Ankatso. Niantefa tamin'ny fony ny bala ary dia maty teo no ho eo ity lehilahy ity. Lehilahy miisa efatra no niditra an-keriny tao an-tranony tamin'io ora io. Nitondra basy izy ireo tamin'izany. Raha nahita izany ity raim-pianakaviana ity dia nanakana an'ireto jiolahy nanao be miditra ireto. Tamin'izany indrindra no namelezan'ireto mpandroba ireto azy. Rehefa izany dia nalain'ireto mpangalatra ny entana sarobidy tao an-trano, toy ny solosaina, nalainy ihany koa ny vola. Rehefa azon-dry zalahy izany dia lasa nandeha izy ireo. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha amin'izao fotoana izao. Araka ny vaovao dia tsy mbola misy ny voasambotra.
Fandrobana  
Toa tsy misy fiafarany ny fanafihana sy ny fandrobana isan-karazany ataon'ny jiolahy. Voamarika izany hatramin'izay nahaverezana basy teny Antsalovana izay. Maro ireo olon-dratsy no efa maty voatifitra sy voasambotra nefa dia toa mitohy ihany ny halatra miaro herisetra etsy sy eroa. Ankoatra ity nahafaty olona teny Ankatso ity, dia hita fa voakasik'io asa ratsin'ny mpangalatra io ny faritra maro manodidina ny renivohitra. Na misy olona na tsy misy olona ny trano voatafika dia tsy maintsy mahazo zavatra ao hatrany ny mpangalatra. Misy fomba vaovao ampiasan'izy ireo. Ny fantatra dia toa tsy mahare ny fahatongavan'ny mpangalatra mihitsy ny olona ao an-trano. Efa maraina voa tonga saina. Raha atao indray miteny dia mampiasa fonoka ireo mpangalatra ireo ka izany no tsy andrenesana azy rehefa miditra ny trano izy. Raha sendra taitra moa dia iharan'ny habibian'ireny mpandroba ireny. r.s.


1369midi-mg-001596-2563-18032008 Nirehitra ny trano vadim-piangonana
CHAPELLE MILITAIRE. Nisehoana hain-trano tetsy Ampahibe omaly vao maraina. Nalaky tonga ny mpamonjy voina ka voafehy ny afo.
Nirehitra ny trano vadim-piangonana
 Tsy fantatra izay tena niandohan'ny afo, izahay koa samy tsy nisy tao an-trano. Antso an-tariby no nampandre ahy fa may ny tranonay dia niverina haingana aho , araka ny fanazavan-dramatoa tompon-trano. Nirehitra tokoa mantsy ny trano vadim-piangonana ao amin'ny Chapelle Militaire etsy Ampahibe. Tamin'ny 8 ora latsaka folo minitra no nanomboka nirehitra ny afo ka nampandrenesina haingana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Araka ny fanazavan'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny mpamonjy voina, dia efa nivoaka tety amin'ny varavarankely, ary efa saika nahazo ilay andrin-jiron'ny Jirama ny lelan'afo tamin'ny fotoana nahatongavan'izy ireo teny. Ny tao ambony rihana, ao amin'ny trano fivoriana sy fianarana katekomena no potiky ny afo tanteraka. Fanaka toy ny latabatra, seza, lalimoara ary fitaovana hafa vitsivitsy no potika tamin'izany.
Hifanome tanana
Nalaky tonga ny mpamono afo izay nanakana ny fitaran'ny afo tamin'ilay trano fonenana ao ambadika sy ny fiangonana iray manontolo. Nifanome tanana ny rehetra teo amin'ny manodidina sy ireo miaramila namoaka ny entana rehetra tao an-trano.
Fotoana fohy taorian'ny nitrangan'ny loza dia tonga teny an-toerana ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta, Ramatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra sy olo-manan-kaja maro. Nampanantena Andriamatoa Charles Rabemananjara fa homena fanampiana ny Fiangonana hanarenana haingana ny trano simban'ny afo. Nanamafy izany koa Atoa Andry Rajoelina ary nilaza fa hifanome tanana amin'ny fanamboarana ny trano.
Marihina fa ny Mompera Bonaventure sy ny Pasitera Rakotozafy Mickaël no tomponandraikitra voalohany ao amin'ity Chapelle Militaire etsy Ampahibe ity.
Aina R.
Ikopa : Tovolahy 16 taona maty an-drano
Voaheloka indray i Tsimibôsy
Rivodozo Ivan. : Potika 80% ny voly jirofo any Maroantsetra


1387midi-mg-001615-2619-19032008 Mpimasy maka zaza tsy ampy taona
Andapa
Mpimasy maka zaza tsy ampy taona
Zazavavy kely telo tsy ampy taona no nalain'ity mpimasy iray tany amin'ny faritra Andapa. Ny iray voalohany, 12 taona, nieràny tamin'ny ray aman-dreniny fa hoentiny hitsangantsangana. Tamin'ny taona 2002 no nisy izany. Enina taona aty aoriana vao nentiny niverina tany amin'ny ray aman-dreniny ilay zaza. Efa feno 18 taona ary mitondra vohoka. Nijanona tao amin'ireo olona ireo izy nisakafo. Nomen-dry zareo toaka ka nilaza tsy nanontaniana ny zavatra nataony. Amin'izao fotoana izao dia efa naka zaza tsy ampy taona roa indray izy. Ny voalohany avy any Besomanga Antsahamanana, ny faharoa avy Andapakely Antanandava.
Nitantara ireo ankizy ireo fa ampisotroiny rano ry zareo ary dia tsy mahatsiaro tena intsony avy eo.
Nosamborina avy hatrany noho ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona io rangahy io. Naiditra am-ponja vonjimaika izy amin'izao fotoana izao.
Remi R. 


1387midi-mg-001616-2620-19032008 Mpitrandraka  mercure  nisy nively
Mananjary
Mpitrandraka  mercure  nisy nively
Vaky ny lohan'ity rangahy iray nisy nively tamin'ny hazo. Tsy vitan'izany, fa voa teo amin'ny hatony koa izy ka tsy mahazaka ny lohany intsony ny tendany fa mitolefika fotsiny. Mpiavy izy no tonga any amin'ny tanana atao hoe Manakana Nord. 48 taona izy. Araka ny fantatra dia toerana misy mercure any ary hitrandraka izany no nahatongavany. Tsy mipetraka eo an-tanàna anefa ry zareo fa any an-tsaha no nanangana trano kely. Afaka herinandro ny nahatongavany, nifoha alina izy sy ny namany iray nivalan-drano. Vita ny an'ilay olona iray dia niditra izy. Ilay rangahy voakapoka kosa mbola tany ivelany. Tamin'izay indrindra izy no nisy namely tamin'ny hazo.
Efa nanao ny fombafomba rehetra anefa ry zareo alohan'ny nanaovany ny fitrandrahana. Efa namono omby. Tsy fantatra, araka izany ny antony nivelesana azy. Ry zareo rahateo tsy mbola nahazo izay zavatra notadiaviny. Tombatomban'ny olona ny hoe, nisy saika haka ny vola sy ny fitaovana nentiny ary izany no namelezana azy.
HAR 


1387midi-mg-001617-2621-19032008 Nisy fefy nasain'ny Ben'ny Tanàna noravàna
Tsena Pochard
Nisy fefy nasain'ny Ben'ny Tanàna noravàna
Nisy savorovoro niseho tao amin'ny Tsena Pochard omaly tolakandro. Efa nanomboka tamin'ny alatsinainy izany zavatra izany. Nametahan'ny sasany fefy vy teo amin'ny toerana nialan'ireo mpivarotra maromaro noho ny fandrodanana ilay cheminée nijoalajoala teo. Efa andro maro izay no vita ny raharaha ka nikasa hiverina amin'ny toerany ireo mpivarotra. Akory anefa ny hatairan'izy ireo ny alatsinainy maraina fa efa nisy nametaka fefy ny toerana.
Araka ny filazan'izy ireo dia Sinoa no nampanao izany fefy izany. Tonga teny an-toerana ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina, omaly, nizaha ny zava-misy. Nanome baiko avy hatrany ny lehiben'ny tsena izy hampandrava ireo fefy ireo hahafahan'ny mpivarotra malagasy mandray ny toerany teo aloha. Tsy nahazoana alalana avy aminy mantsy ny nananganana io fefy io.
Ao anatrehan'izany zavatra izany dia velom-pisaorana ny ben'ny tanànan'Antananarivo ireo mpivarotra amin'izao fandraisana andrakitra natao izao. Izany, hoy ireo mpivarotra, no tena fitsinjovana ny madinika. Nangataka koa izy ireo ny mba hisian'ny fitantanana mangarahara ny tsena rehetra eto an-drenivohitra. Vonona hiara-miasa amin'ny kaominina ry zareo amin'izany.



1387midi-mg-001618-2622-19032008 NULL
SAKAFO VOAPOIZINA. Zava-doza niseho tany Ivoamba, Fianarantsoa. Olona iray tanàna no indray voapoizina noho ny fihinanana trondro maina.
Olona 3 maty, 16 naiditra hopitaly
Olona telo namoy ny ainy, 16 hafa kosa manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly. Io no vokatry ny fihinanana sakafo voapoizina tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Ivoamba, 10 km tsy hidirana ny tananan'I Fianarantsoa. Ny alahady antoandro teo no niseho ny loza. Olona 19 be izao no indray voapoizina noho ny fihinanana trondro maina. Saika olona mpiahavana sy mpiray tanàna avokoa ireo narary ireo. Teo am-pisakafoana aloha dia tsy mbola nisy naninona loatra. Fa ny tolakandro amin'izay vao nanomboka nihetsika avokoa ny aretin'ireo rehetra nihinana ilay trondro, araka ny fitantaran-dRaFilipo, mponina ao Ivoamba. Misy tamin'ireo marary no nandoa sy nivalana. Tao ny narary kibo sy narary an-doha. Ohatran'ny mafana be izany ireo marary, mandoa sy mivalana ary mangatsiaka be sy mangovitra mihitsy, hoy ny tohin'ny fanazavany.
Voarara
Ny harivan'ny alahady ihany dia nalefa teny amin'ny hopitaly ao Tambohobe Fianarantsoa ireo marary rehetra. Nisy ny efa tsy dia maninona loatra, misy kosa anefa ny tsy nahazaka ny aretina ka namoy ny ainy. Hatramin'izao aloha dia telo no maty tamin'ireo marary, tsy mbola fantatra anefa ny fivoaran'ny toe-pahasalaman'ireo izay mbola velona. Efa manao izay fara-heriny ny mpitsabo any an-toerana mandio ny vavonin'izy ireo sy manome fanafody azy.
Ankoatra izay dia nanapa-kevitra ny tomponandraikim-panjakana ao Fianarantsoa fa voarara ny fihinanana sy ny fivarotana trondro maina mandra-pivoakan'ny didy manaraka. Manara-maso ny fampiharana izany didy izany ny mpitandro filaminana sy ny olom-panjakana rehetra any an-toerana.
Nalefa mba hanaovana fanadihadiana lalina kosa ny ampahany amin'ireo trondro izay nohanin'ireto olona narary ireto hahafantarana ny fihaviany sy izay tena poizina nahafaty sy nankarary tao anatiny.

Lire aussi - Andapa : Mpimasy maka zaza tsy ampy taona - Mananjary : Mpitrandraka  mercure  nisy nively - Tsena Pochard : Nisy fefy nasain'ny Ben'ny Tanàna noravàna 


1387midi-mg-001619-2623-19032008 Fatina ankizilahy roa natsingevan'ny rano
AMBOHIMANGAKELY. Toe-javatra mampalahelo no niseho tany amin'ny tanàna atao hoe Betafo.
Fatina ankizilahy roa natsingevan'ny rano
Ny fatin'ireto ankizilahy roa, 14 taona sy 8 taona, no hitan'ny olona natsingevan'ny rano tao anaty lavaka avy nanaovana biriky, ny alatsinainy teo tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Teny amin'ny tanàna atao hoe Betafo eny Ambohimangakely no nisehoan'ity loza ity. Nentina nozahan'ny dokotera ny razana. Fantatra tamin'izany fa maty an-drano ireo ankizy ireo. Mahatratra hatrany amin'ny 4 metatra any ny halalin'ilay rano.
Araka ny fantatra dia nandeha nilomano tao anatin'io lavaka io izy roalahy ireo. Tsy fantatry ny ray aman-drneiny anefa izany. Efa roa andro no tsy nahitana azy ireo ary notadiavina hatraiza hatraiza. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fatin'izy ireo nitsingevana teo amin'io rano io.
Fandrika
Mafana ny andro amin'izao fotoana izao. Halaim-panahy ny olona, tsy ny ankizy ihany fa na ny lehibe aza, hilomano. Dia tsy mifidy toerana fa rehefa azo hirotsahana dia raikitra. Ny tsy fantatry ny olona maro anefa dia izao, mafana tokoa ny rano ety ambony ety. Rehefa midina anaty lalina anefa dia mangatsiaka tokoa io rano io. Raha sendra izany rano mamanala be izany ny olona milomano iray dia ngoly avy hatrany ny vatany iray manontolo ary tsy afa-mihetsika fa raikitra eo. Tena fandrika be tokoa izany, indrindra ireny rano miandrona ireny.
Tsy ny dobo avy nanaovana biriky ihany koa anefa no mamono fa na io rano mandeha io aza ka misy lalina. Araka ny fanazavan'ny mpahay azy, fandrika tsy azo hialana koa ny toerana avy nangalana fasika. Vao tamin'ny alatsinainy no nisy tovolahy maty an-drano teny Ikopa, teny amin'ny faritra Andohotapenaka. Tokony hatoro tsara ny ankizy amin'ireny rano ireny.



1389midi-mg-001622-2626-19032008 Percée dans cinq régions
INDÉPENDANTS. C'est dans 7 districts sur les 114 que compte le pays, que les indépendants ont réalisé leur meilleur score. 
Percée dans cinq régions
Si dans la plupart des 22 Régions Tiako i Madagasikara fait cavalier seul ou du moins, il est en tête du peloton, il y a eu toutefois quelques poches de résistance, face au raz-de-marée du parti majoritaire. Ainsi, à Antsiranana I (Région Diana), la liste Vahoakan'Antsiranana Mitambatra (VAM) de Patrick Monibou est sortie vainqueur face au candidat TIM. A Mananara Nord, fief du député Zakahely Boniface, et Maroantsetra, la liste  Ilo tsy omeko anao tsy amy lerany  (Itotal), les indépendants ont surpassé le parti présidentiel. Deux localités se trouvant dans la Région Analanjirofo. Les districts d'Antsohihy et Mandritsara (Région SOFIA) tombèrent également entre les mains des indépendants, issus de la liste Fanjava Velogno. Dans la région Vakinankaratra, plus précisément à Antsirabe I, Paul Razanakolona a supplanté le poulain du TIM. A Vangaindrano, région Atsimo Atsinanana, la liste Mananara Fanilo de Botovao Jean Marie a devancé le candidat du parti majoritaire.
7 districts sur 114
C'est dans ces 7 districts (issus de cinq régions) sur les 114 que compte le pays que les indépendants ont pu  percer .  Du moins officieusement. En outre, à Ambositra et à Manandriana (Région Amoron'i Mania) les candidats indépendants et ceux du TIM sont au coude à coude, même si les premiers mènent au  score . Malgré ces quelques victoires remportées par les indépendants dans certaines  villes du pays, le parti présidentiel n'est pas inquiété. En effet, sur les 145 sièges à pourvoir, TIM est sûr d'avoir plus de 130 au Conseil régional. Par ailleurs, avec le maximum de maires que ce parti a pu faire élire, lors des dernières communales, les sénatoriales sont pratiquement à la portée des mains du TIM. 
Dominique R. 
Politique 

1419midi-mg-001653-2718-20032008 Zandary maty voatifitra
IVOHIBE
Zandary maty voatifitra
Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tany Tambohobe Ivohibe ny 16 marsa teo ny Gendarme de 2e classe Randrianaivo Maminirina. Maty niaraka taminy ihany koa ny sivily iray. Ankoatra azy roa ireo dia mbola nisy olona telo hafa ihany koa naratra. Nisy halatr'omby niseho tao amin'io tanàna io ny 15 marsa. Omby 28 no lasan'ireo dahalo tamin'izany. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary. Tany am-pitsoahana anefa dia tafalatsaka afovoany ireo dahalo, satria nisy zandary sy fokonolona avy aty anoloana, ary nisy ihany koa avy any aoriana. Tsy nisalasala ireo dahalo, izay miisa 22 ary mirongo basim-borona sy Kalachnikov, nitifitra ireo avy aty anoloana. Tamin'izay indrindra no nahafaty ilay zandary sy ilay lehilahy iray, ary naharatrana ireo telo hafa. Vao nahavoa ireo olon-dratsy dia nanao tari-dositra ka navelany teo ny omby 25, novonoiny kosa ny telo. Efa tafaverina amin'ny tompony ireo omby ireo. Nohamafisina ny isan'ireo zandary amin'ny fikarohana ireto dahalo ireto.
r.s
 


1420midi-mg-001655-2720-20032008 &quot;Sage-femme&quot; no mpiray tsikombakomba
Sage-femme no mpiray tsikombakomba
  Nahazoam-baovao ny mikasika ny fakana an-keriny ilay Karana vavy tany Antsiranana niseho tamin'ny zoma lasa teo. Tamin'ny alahady maraina tamin'ny 9 ora sy sasany izy no hitan'ny olona tao an-tokontanin'ny Laforge amin'ny lalana ho any Ambilobe. Salama tsara izy amin'izao fotoana. Talohan'ny nahitana azy dia nahazo hafatra SMS ny vadiny milaza fa:  alaivo ny vadinao, ary aza manahy fa sage-femme tena mahay no nanala ny zaza tao an-kibony. Ilay zaza kosa tsy fantatra izay misy azy. Rehefa nitantara ny fisehoan'ny fangalana azy an-keriny ilay ramatoa dia nilaza fa tsy izy irery no nandeha tao anaty taxi fa nisy vehivavy hafa niaraka taminy. Olona tsy fantany io. Tamin'ny zoma, nangalan'ny sasany azy, lany lasantsy ilay taxi. Lasa nandeha nividy solika ny mpamily. Tamin'izay fotoana izay no nisy fiara 4X4 miloko fotsy nijanona tandrify azy ireo. Notifirina zavatra mampatory ry zareo ary dia tsy nahatsiaro tena intsony. Notampenana ny masony. Rehefa taitra izy, araka ny fitantarany ihany, dia nasiana lamba teo amin'ny orony ary niverina torana indray izy. Tsy dia nomena sakafo loatra ihany koa izy, araka ny filazany. Mikasika ity fangalana an-keriny ity dia mandeha ny resaka eto Antsiranana fa misy zavatra tsy mazava ihany ilay izy. Tonga hatramin'ny hoe, niniana natao ny fanalana ilay zaza tao an-kibo. Toa manamarina izany ny fihetsiky ny fianakavian'ilay ramatoa. Tsy nahenoana fitarainana mihitsy mantsy avy amin'izy ireo. Atoa Rahim, vadin'ilay vehivavy, ihany no tena sahiran-tsaina tamin'izao zavatra izao. Taorian'izao fangalana an-keriny izao dia matahotra ny mponina mandeha taxi indrindra amin'ny alina.
V.Jcl


1447midi-mg-001683-2769-21032008 Natsipiny tany anaty rano ny zanany
Natsipiny tany anaty rano ny zanany
  Tamin'ny talata teo tokony ho tamin'ny 4 ora hariva, akory ny hatairan'ity ankizy iray nandeha naka anana teny an-tsaha raha nahita fatin-jazakely vao 1 taona sy 1 volana nitsingevana tao anaty ranon'i Sahalombo eny Tsivatrinikamo. Nijery ny razana ny teo an-tanàna ary nisy tamin'izy ireo nahafantatra ny olona nanipy io zaza io tao. Nanambady izy io fa nisaraka tamin'ny vadiny. Niteraka roa izy ireo ka ny zokiny any amin'ny ilay rangahy, ity mbola ninono kosa tany aminy. 18 taona ramatoa io ary voalaza fa lasa nanaraka lehilahy izy. Ankeviny niteraka olana teo amin'izy roa ny fisian'ilay zaza ka dia izao natsipiny tany anaty rano izao. Tsy hita hatramin'izao izay misy ilay vehivavy. Milaza ny hitory kosa ny fianakavian'ilay vadiny taloha.
Lova


1447midi-mg-001684-2770-21032008 Halatra akoho nahafaty
AMBOHIDRATRIMO
Halatra akoho nahafaty
Tranga niseho tany Antanetibe Mahazaza Ambohidratrimo ny alatsinainy lasa teo. Roalahy tratra nangalatra akoho no maty nodarohan'ny olona. Ny iray no tratran'ny olona voalohany, niaraka tamin'ny akoho 60 isa. Nataony tao anaty gony ireo ary nentiny tamin'ny bisikileta. Rehefa noteren'ny fokonolona izy vao nanoro ilay namany niara-nangalatra taminy. Raikitra ny fidarohana ireo mpangalatra ka samy nanala ny fony teo ny tsirairay. Naratra mafy vokatr'izany izy roa lahy ary nentin'ny fokonolona tany amin'ny CSB II teo an-toerana ihany. Nony tonga kelikely tao anefa dia samy namoy ny ainy izy roalahy. Efa ela no niandrasan'ny mponina eny an-toerana ireto mpangalatra akoho ireto. Leo ny halabotry ataon-dry zalahy ny vahoaka ka nanampatra ny fony.
Ony
 


1447midi-mg-001685-2771-21032008 Hentitra ny fanaraha-maso
PASKA IEREN-DOZA
Hentitra ny fanaraha-maso
Ho hentitra ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana amin'ity fetin'ny Paska ho avy ity. polisy, zandary ary miaramila 4100 no indray hisahana izany manerana ny Nosy ary ny 1200 amin'ireo no ho eto Analamanga. Sambo haingam-pandeha 14, fiarakodia 110, moto 39 ary bisikileta 50 no hampiasaina. Hisy ihany koa ireo  Equipes d'Intervention Rapide  hapetraka amin'ny toerana sasantsasany. Toy ny mahazatra dia hiditra an-tsehatra ny  camion atelier  miaraka amin'ireo  mécaniciens  hanampy ireo sendra ny fahasimbana eny an-dalana. Ankoatr'ireo dia tsy hadino ny fiara mpitondra marary.
Hisahana ny fandriampahalemana, ny fifamoivoizana ary ny famonjena ireo tra-boina ireto mpitandro filaminana marobe ireto ary hiparitaka any anaty vahoaka any. Misy ny manao fanamiana ary misy ny miakanjo tsotra. Tsy handeferana ny taratasy tsy ara-dalàna sy ny mamo mitondra fiara.
Aina R.


1448midi-mg-001687-2773-21032008 Mpivady misandoka mahita asa any Italie, Ar 2 000 000 isan'olona no alainy
FISOLOKIANA. Samy mampiasa ny fahaizany ny rehetra hameloman-tena. Ny sasany manasoa ny mpiara-belona, ny hafa mambotry.  
Mpivady misandoka mahita asa any Italie, Ar 2 000 000 isan'olona no alainy
Kinga tokoa amin'ny fisolokiana ireto mpivady mipetraka eny Mahabo Andoharanofotsy. Olona enina no efa voan'izy ireo. Tsy vola kely no alainy amin'izany fa volabe tokoa. Mahatratra hatrany amin'ny 2 000 000 Ar isan'olona any. Malaza tokoa ireto olona ireto amin'ity resaka ity. Tamin'ny faha-19 marsa teo izy ireo no nosamborin'ny polisy avy ao Tanjombato ary hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana rahampitso sabotsy. Efa tratra izy ireo tamin'ny volana oktobra 2007. Olona roa no voany tamin'izany. Nilazany ireo olona ireo fa hahitany asa any Italie. Nanaovany resaka mampandry adrisa teo dia roboka. Nahazoany vola hatrany amin'ny 2 000 000 Ar tsirairay ireo nambakainy. Nisy ny fitoriana azy satria tsy nisy akory ny zavatra nampanantenainy. Voatery namerim-bola ry zareo. Any Paris Tsy Italie ihany anefa no nanambakany olona fa teo koa ny renivohitra frantsay, Paris. Fianakaviana iray nilazany fa hahitany lalana ho any Paris no nakan'izy mivady vola 1 060 000 Ar. Tsy nijanona teo ny fisolokiana fa ny mpiray tanàna aminy indray no nakany vola 150 000 Ar. Nampanantena olona iray izy ireo fa hampidiriny hanao asana mpiambina eny Imerintsiatosika ka tonga dia mahazo karama taona iray avy hatrany ary ny 10%n'izany ny anjarany. Samy manana ny talentany izy mivady. Ilay ramatoa indray nisoloky mpivarotra saribao hikarakarany lova azony tamina vazaha. 16 000 000 Ar indray no azony tamin'io. Dia mbola nasiany ihany koa ny tompon-tranony. Nahazoany vola 100 000 Ar hikarakarany ny rahavaviny avy any an-dafy, hono. Mahay miresaka tokoa ireto mpivady ireto. Fanampin'izany, hainy koa ny mideradera ivelany. Sahy manofa trano hatrany amin'ny 400 000 Ar. Toa tsy voalohany anefa izany satria tsy manana anton'asa ry zareo. Tamin'ny volana janoary izy mivady no nandositra ny hofan-tranon'olona. Nisy nahafantatra anefa ny teti-dratsiny saika handositra ho any Diégo. Ary io noraisim-potsiny teny Ambodivona io ry zareo ny 19 marsa teo.
r.s.
Lire aussi
Paska ieren-doza : Hentitra ny fanaraha-maso  
Ambohidratrimo : Halatra akoho nahafaty  
Antsirabe.: Natsipiny tany anaty rano ny zanany


1453midi-mg-001693-2782-22032008 25 TIM contre 3 indépendants aux régionales
Ex-province Antananarivo
25 TIM contre 3 indépendants aux régionales
Les résultas officiels du scrutin du 16 mars 2008, pour l'ex-province d'Antananarivo, ont été déclarés officiellement, hier, au tribunal administratif et financier, à Anosy. Dans les districts d'Antananarivo-ville, Andramasina, Ambohidratrimo, Anjozorobe, Ankazobe, Manjakandriana, Fenoarivobe, Tsiroanomandidy ainsi que dans la région Itasy, Tiako i Madagasikara a raflé tous les sièges de conseillers régionaux. Par contre, à Avaradrano et à Atsimondrano, les 4 sièges à pourvoir, pour ces deux districts ont été départagés entre le parti majoritaire et les indépendants. Même topo à Antsirabe I, où le parti présidentiel et la liste transporteur Razanakolona ont obtenu chacun un siège. Notons que parmi l'assistance, l'on a remarqué la présence du président du sénat, Rajemison Rakotomaharo, pour la proclamation officielle de ces régionales. 
Dominique R.
Politique 

1462midi-mg-001703-2792-22032008 Mpifankatia niara-namono tena
ITASY
Mpifankatia niara-namono tena
Ony


1463midi-mg-001705-2794-22032008 Nalefa eny Antanimora i Mômô mpisoloky
TSARALALANA
Nalefa eny Antanimora i Mômô mpisoloky
Tsy nisy resaka fa avy dia nosamborin'ny polisy ary nalefa avy hatrany eny Antanimora i Mômô. Efa ela no nikarohan'ny mpitandro filaminana azy. Mpisoloky gaigilahy eny Analakely sy Tsaralalàna eny izy ary mpivarotra maro no efa voany. Didy fampisamborana avy any amin'ny Tribonaly mihitsy no nentina nisamborana azy. Marobe ireo fitoriana napetraky ny olona teny amin'ny polisy sy ny Fitsarana amin'ny fisolokiana nataon'i Mômô. Raharaha fisolokiana mpivarotra tao amin'ny Petite vitesse izao ity nisamborana azy afak'omaly ity. Mampiasa hafetsena isan-karazany izy amin'ny fanaovany ny asa ratsiny toy ny fiovaovana anarana sy toeram-ponenana. Isan'ny anarana ahafantaran'ny maro azy ihany koa ny hoe Kassav. Mialokaloka eny Antanimora ny lehilahy manefa ny saziny.
Ankoatr'izay, hentitra ny fitandroana ny filaminana ataon'ny polisy avy ao amin'ny Boriboritany voalohany amin'izao fetin'ny Paska izao. Tsy handeferana ny mpamily mamo sy ny taratasy tsy ara-dalàna. Hisy ihany koa ny hetsika fisamborana ireo mpanao sinto-mahery eny Analakely sy ny manodidina.
Aina R.


1463midi-mg-001706-2795-22032008 Nosamborina i Kaporaly Bob
Nosamborina i Kaporaly Bob
Vao maraina, taorian'ny fandalovany tao amin'ny fandaharana kidaona maraina no nosamborin'ny pôlisy i Kaporaly Bob. Tsy mbola fantatra mazava tsara izay antony. Na dia teo aza ny feo mandeha fa noho ny fanodinkodinam-bola mitentina 17 tapitrisa ariary miaro fivadiham-pitokisana no nanenjehana azy. Fantatra ihany koa fa iny andron'ny omaly iny ihany izy dia nalefa any Fianarantsoa.
Tia setrasetra
Vao vita ny fakàna am-bavany azy tao amin'ny biraon'ny pôlisy etsy Tsaralalàna dia naterina any Fianarantsoa izy. Mbola ny tsilian-tsofina ihany no nahafantarana fa mifandraika amin'ny fanaovana filma tao amin'io tanàna io ilay fitoriana an'i Fenitra Hasimbola, fantatry ny maro amin'ny hoe Kaporaly Bob. Tia setrasetra ny lehilahy ary izay no isan'ny nampiavaka azy teo amin'ny tontolon'ny horonan-tsarimihetsika. Izy ihany koa no voalohany nanokatra ny tontolon'ny ady tsy mifidy haiady.
Fivadiham-pitokisana
Tao anatin'izany ny fifanandrinany tamin'i Zakabe, bokonozatra avy ao Ambohibary. Nisy ihany koa ny fitadiavany hikarakara io lafiny ady tsy misy fitsipika io saingy nolavin'ny Fanjakana izany. Tsy izao akory vao miseho ny fisamborana artista toy izao. Saika mifandraika amin'ny fanodinkodinam-bola hatrany ny raharaha mianjady tamin'izay efa nosamborina. Raha tsy izany indray dia fivadiham-pitokisana. 
D.R Lire aussi
Gendarmerie : 428 éléments pour Analamanga
Itasy : Mpifankatia niara-namono tena


1485midi-mg-001729-2819-25032008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - An'ilay kaomisera nosamborina ny fiara 4X4 izay nentina nangalatra ireo fitaovam-piadiana tao amin'ny RTS. Izay no antony nisamborana azy raha araka ny vaovao azonay. Avy amin'ireo efa-dahy notazomina tao amin'ny zandary Fiadanana ihany kosa no nahazoan'ny mpanadihady nahita izay mety ho ambadika rehetra momba ity raharaha halatra basy entina hanonganam-panjakana ity.
 - Vely tavoahangy teny Antsonjombe nandritra ny fampisehoana omaly. Lehilahy iray no naratra mafy ary voatery nentina teny amin'ny hopitaly, tao amin'ny sampana fameloman'aina.
 - Efa-mianaka no indray nofaohin'ny fiara raha handeha hiampita. Omaly tamin'ny iray ora tolakandro no nisehoan'izany lozam-pifamoivoizana izany. Samy naratra avokoa ireo saingy ilay renim-pianakaviana no tena voa mafy.
 - Rava ny tambazotran'ireo mpangalatra solika amin'iny RN2 iny. Ny zoma teo izy ireo no natolotra ny Fitsarana. Gasoil 3609 litatra no nangalarin'izy ireo, ka ny 1400 litatra tratra tamin'olona tao Vatomandry. Solika saika haverina ho diovina any Toamasina ity nisy nangalatra ity.
D.R /Aina R. 


1486midi-mg-001731-2821-25032008 Olona 3 maty, 38 naiditra hopitaly
SAKAFO VOAPOIZINA
Olona 3 maty, 38 naiditra hopitaly
Zava-doza niseho tany Ankadiefajoro, Carion, faritr'i Manjakandriana iny ny faran'ny herinandro teo. Olona telo no namoy ny ainy ary 38 hafa naiditra hopitaly vokatry ny fihinanana henan'omby marary. Ny sabotsy no maty ireo olona roa voalohany, ilay fahatelo kosa dia ny alahady tokony ho tamin'ny roa ora maraina. Efa nalevina avokoa ireo olona namoy ny ainy ireo. Ireo 38 marary kosa dia mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitalin'i Mankajandriana amin'izao fotoana izao, ary tsy mbola fantatra izay mety ho fivoaran'ny toe-pahasalaman'izy ireo. Araka ny voalazan'ny mpitsabo any an-toerana, dia izay rehetra nihinana tamin'ilay henan'omby marary dia voa avokoa. Mandoa sy mivalana ary marary an-doha be ireo marary. Miakatra be ny hafanany ary mivadika mangatsiaka sy mangovitra indray avy eo.
Nandray andraikitra avy hatrany ny fitondram-panjakana manoloana izao toe-draharaha izao ka nandefa mpitsabo sy fanafody maromaro any an-toerana. Nalefa any an-toerana ihany koa hijery akaiky ny zava-misy ny dokotera mpitsabo biby. Nisy ny fepetra manokana noraisina amin'ny fihinanana hen'omby sy ny fivarotana izany. Manampy amin'izany fanaraha-maso izany ny mpitandro filaminana ao Manjakandriana.
Efa misokatra ny famotorana mikasika ny nihavian'ilay omby marary, ireo izay nivarotra sy nanaparitaka azy. Marihina fa isan'ny faritra iray teto Madagasikara tena nahitana aretin'omby tamin'ity taona ity iny faritr'i Manjakandriana sy ny manodidina iny.



1492midi-mg-001738-2829-25032008 Les champions de Madagascar 2008
Judo
Les champions de Madagascar 2008
Minimes filles :
-36kg : Ainasoa Nambinina (RED)
-40kg : Razakatiana Linda (Hakudokan)
-48kg: Zaitony Saida (ASCO)
-52kg: Rahajason Hanitra (ASSM)
-57kg: Ratovona Harison Sariaka (Hakudokan):
Minimes garcons:
-38kg: Daouda Abdul (Boeny)
-42kg: Rasamoelina Tovohery (ASCO)
-46kg: Appolinaire Boniface (HMS)
-50kg: Rakotovao Fanomezantsoa (ASSM)
-55kg: Rakotoson Nandrianina (Antsirabe)
-60kg: Rabemiarana Mahatoky (ESCA)
+60kg: Mamy Nanahary Andry (ESCA)
Cadettes
-44kg: Binty Ramazan Assiat (HMS)
-48kg: Tsiverinarivo Nidah (ESCA)
-52kg: Kwan Hu Diana (ASSM)
-57kg: Ali Aicha Zaoudjatte (Boeny)
-63kg: Andriatiana Brenda (ASSM)
Cadets
-46kg: Rajeriarimiraho Maholy (ESCA)
-50kg: Todisoa Zoé Parfait (HMS)
-55kg : Christel Justin (ASCO)
-60kg : Andrianarijaona Sitraka (CEJM)
Juniors Filles
-48kg: Rakotoarimanana Haritiana (ASSM)
-52kg: Ratariniaina Faniellah (ESCA)
-63kg: Rakotoarison Harinirina (ASSM)
-70kg: Razafindratandra Hasina (ESCA)
Juniors garcons
-60kg: Rakotondralambo Mamin'ny Aina (ASSM)
-66kg: Arimanana Arizo (Hakudokan)
-73kg: Rasamoelina Joharinavalona (ASSM)
-81kg: Randrianasolo Jean Luc (ESCA)
-90kg :Mamiharijaona Elisa (Hakudokan)
Seniors dames
-48kg : Rakotoarimanana Dina (CEJM)
-52kg : Ravelonarivo Modestine (ASSM)
-57kg : Rakotoarisoa Harinirina (ASSM)
-63kg: Rarojoarifety Kanto (ASSM)
-70kg: Rafanomezana Lalatiana (HMS)
-78kg: Rakotovao Lova (ESCA)
+78kg: Ravaoarimalala Honorine (COSPN)
Seniors homes
-60kg: Rakotondralambo Tahina (ASSM)
-66kg: Rafaeliarisoa Tageot (ASSM)
-73kg: Tafary Kompe (HMS)
-81kg: Ramalanjaona Anthony (ESCA)
-90kg: Rasoanaivo Luc (ASSM)
-100kg: Randrianarivelo Lionel (ESCA)
Par equipe
Dames: ESCA
Hommes: AS Saint-Michel
Sports 

1504midi-mg-001751-2844-26032008 Ar 4 tapitrisa, levon'ny afo
AMBODIFILAO
Ar 4 tapitrisa, levon'ny afo
Hain-trano niseho tetsy Ambodifilao, akaikin'ny fivarotan-dasantsy Galana, omaly tokony ho tamin'ny 4 ora sy 20 minitra. Ny  Immeuble Razafinarivo , 22 Lalana Rabezavana no nirehitra. Minitra vitsy monja taorian'ny nirehetan'ny trano dia efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny boriboritany voalohany nijery ny zava-misy. Tsy naharitra ela dia voafehy ny afo ary soa fa tsy nisy naratra na aina nafoy. Tombanana any amin'ny Ar 4 tapitrisa any ny tentim-bidin'ny fahasimbana. Nisy lelavola 1 tapitrisa Ar kila tao.
Aina R.


1504midi-mg-001752-2845-26032008 Mampihorohoro amin'ny basy kilalao
POLISY SANDOKA
Mampihorohoro amin'ny basy kilalao
Ela ny ela ka tratra ihany i Raymond, ilay polisy sandoka nampihorohoro ny mponina teny Andranomanalina. Ny zoma teo no noraisin'ny polisy teny an-tranony ny lehilahy ary rehefa natao ny fisavana dia mbola nahitana basy kilalao tao aminy. Milaza amin'ny olona rehetra ao an-tanàna i Raymond fa polisy, ka tsy vitan'ny mampihorohoro amin'ny basy izy fa sady misoloky volan'olona ihany koa. Tsy nahalala izao raharaha izao anefa ny polisy noho ny tsy fisian'ny fitoriana momba azy tonga any amin'izy ireo. Tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo no nahafantarana ny marina rehetra. Tao amina trano fisotroana iray izy ary nilaza fa polisy sady nitonona anarana andiany iray mihitsy. Nisy polisy tena izy anefa teo ka nampiseho karatra ary nisava ny azy. Tsy karatra anefa no navoakany fa avy dia nitolona ilay polisy i Raymond. Nitifitra ilay polisy fa tsy nahavoa azy ary iny izy no nandositra. Natao ny fikarohana ka ny zoma teo izy no tratra, ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Nanapa-kevitra ny mpitsara fa halefa eny am-ponja vonjimaika izy miandry ny fotoam-pitsarana.
Aina R.


1504midi-mg-001753-2846-26032008 Tovolahy mihinana bibilava sy voalavo velona
ANALAKELY. Fampisehoana hafakely etsy Analakely sy ny manodidina mahavariana sy mampitangorona olona isan'andro.
Tovolahy mihinana bibilava sy voalavo velona
Tsy matin'ny hanoanana akory ity tovolahy ity ka mihinana biby velona fa fampisehoana sy fitadiavam-bola no ataony. Mihinana bibilava sy voalavo velona izy. Arahina rano kely izany sao kenda, ary avoaka indray avy eo. Fanomezam-pahasoavana manokana nomena ahy izao, ka entiko hanalana voly ny mpiara-belona amiko sy hitadiavako vola, hoy i Hery (anarana indrana). Ninia tsy nitonona ny tena anarany ity tovolahy manan-talenta ity noho ny fatahorany sao enjehin'ny Fanjakana. Na izany aza manao fampisehoana eny ankalamanjana izy satria eny no maro olona. Mialoha ny fampisehoana dia misy fitatazan-drakitra kely ataony, mandeha daholo ny fihetsiketsehana rehetra ary raikitra amin'izay ny fitelemana ireo biby velona.
Tsara karakara
Maro tokoa ireo talanjona mijery ny fampisehoana aton'ity tovolahy manana talenta hafakely ity. Misy ihany koa anefa ireo sarotin-drikoriko ka avy dia mandositra. Miara-miaina amiko isan'andro ireo biby ireo, karakaraiko tsara satria raisiko ho toy ny fitaovam-piasana mihitsy, hoy i Hery manohy ny teniny. Ataony asa fivelomana isan'andro mihitsy ity fihinanana biby velona ity. Tsy mahavelona, araka ny nambarany, saingy mba mahavita izay vitany ihany ny vola kely azo eo, ary ny ampahany dia atokany amin'ny fikarakarana ireo biby ireo. Misy amin'ireo mpijery no misintaka raha vao tonga ny fitatazan-drakitra. Iny anefa no mba hany fidiram-bolanay, hoy ihany i Hery. Ary notohizany hoe: tsy misy resaka ody gasy io na zavatra hafahafa fa talenta tsotra izao. Vonona ny ho matihanina amin'ity asa iray ity i Hery sy ny namany raha misy ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana sy ny tomponandraikitra samihafa.
Aina R.


1533midi-mg-001783-2885-27032008 Siramamy 200T, misy mitady hanodina
TOAMASINA
Siramamy 200T, misy mitady hanodina
Toe-javatra hafahafa ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ka mampanahy ny tompony. Siramamy milanja 200 taonina eo ho eo, voatazona ao noho ny resaka taratasy no misy mitady hanodina. Efa hatramin'ny taona 2007 ireo entana ireo no efa tafahitsoka tao. Tsy voaloan'ny tompony anefa ny lamandy tokony haloa amin'izany ka nanapa-kevitra ny ao amin'ny ladoany fa hatao lavanty ny entana. Mitondra ny laharana Lot 215 io entana io ao anatin'ny taratasy fanaovana lavanty. Tokony mbola ho amin'ny volana aprily ho avy izao anefa ny fanaovana ny lavanty. Mandeha sahady anefa ny feo fa efa misy mitady hanodina ireo entana ireo ary olona efa be afera sy be lamosina no mikononkonona izany. Efa nandefa fitarainana tany amin'ny Bianco ny tompon'ny entana saingy mbola tsy nidina tany ireo. Manaitra ny sain'ny tomponandraikitra, araka izany, izy ireo hijery akaiky ny toe-draharaha.



1533midi-mg-001784-2886-27032008 Fatin-dehilahy efa simba tao anaty rano
Ikopa
Fatin-dehilahy efa simba tao anaty rano
Omaly no nahitan'ny mponina teny amin'ny fokontany Anosivitabola eny amin'ny kaominina Fiombonana tsy lavitra an'Itaosy fatin-dehilahy iray tao anaty rano. Efa tena simba tokoa ny razana tamin'ny nahitana azy. Tombana ho 40 taona ity olona ity. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Tonga nizaha ny razana ny dokotera avy eny amin'iny faritra iny. Efa nalefa eny amin'ny tranom-paty ny razana.
Tsy vao izao no nahitana fatin'olona teny Ikopa. Saika isan-kerinandro no andrenesana faty olona. Saika tsy fitandremana hatrany no mahatonga izany. Andro maro lasa izay, tovolahy nandeha nilomano no lasa tany anaty rano lalina tany. Nokarohina ela ny razana vao hita. Ao koa anefa ny setrasetran'ny sasany. Misy, araka ny vaovao, olona efa novonoina tany ho any dia natsipy any anaty rano. Voaporofon'ny ratra hita amin'ny vatan'ireny razana ireny izany.



1533midi-mg-001785-2887-27032008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ivandry, nirefotra ny basy. Tamin'ny alin'ny talata teo, tokony ho tany amin'ny 11 ora tany, dia taitra ny mponina teny Ivandry nandre basy nipoaka indray. Voalazan'ireo izay nahita fa mpitandro filaminana no nanao izany. Nisy olona roa nihazakazaka ka toa ireny no niantefan'ny bala. Nianjera avy hatrany ny iray, ilay faharoa kosa toa tafatsoaka.
  - Vehivavy maty tao amin'ny biraony. Vehivavy iray no hita faty voa maraina tao amin'ny biraon niasany tamin'iny herinandro lasa iny. Ny omalin'ny nahitana ny razana dia voalaza fa nandeha nitsena olona teny Ivato izy. Tsy nadeha irery fa nisy olona niaraka taminy. Avy eo, nandeha nisakafo tany amin'ny trano fisakafoana ry zareo. Efa nandroso alina tamin'izay ka toa tsy afaka nandeha nody intsony ity vehivavy ity. Tany amin'ny birao izy no naterin'ny mpamily. Tamin'ny alina dia nisy nahare zavatra toa nianjera ary nisy feo nikiaka nivoaka avy ao amin'ilay toerana. Ny maraina vao samy gaga nahita ilay vatana mangatsiaka.
 - Faratsiho, matin'ny hanohanana. Lehilahy iray no hita faty teny amoron-dalana tany amin'ny faritry Faratsiho tamin'iny herinandro lasa iny. Sahirana ara-pivelomana ity olona ity. Voalaza fa mipetraka irery izy. Efa andro maromaro no tsy nahitana azy teo an-tanàna. Olona sendra nandalo tamin'ilay lalana no nahita ny razana efa manomboka ho simba.
 - Faratsiho, ankizy matin'ny varatra. Ankizy lahy iray no fantatra fa maty nilatsahan'ny varatra tany amin'ny faritra Faratsiho mbola tamin'iny herinandro lasa iny ihany. Izy mianadahy ireo irery no tao an-trano tamin'izay fotoana izay. Nirefotra ny varatra ka samy voa izy ireo. Ilay vavy kely, may ny lohany ary mbola tsaboina any amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao.
 - Ambanja, matin'ny lozam-pifamoivoiana ny delege. Tamin'ny alatsinain'ny Paska teo dia maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny delegen'ny disitirikan'Ambanja. Nitrondra bisikileta izy tamin'io andro io. Toa hita nivilivily anefa ilay kodiaran-droa. Avy aty aoriana nisy fiara mpitatitra nandeha hatrany amin'ny 80 km isan'ora any. Io no nifaoaka azy. Nianjera tamin'ny tany ilay delege ary maty tsy tra-drano.
 - Ambanja, tany an-dranomasina no hita faty. Mbola tamin'ny alatsinain'ny Paska ihany, nandeha nilomana teny amin'ny reniranon'i Jangoa ny zazalahy iray 14 taona. Tany anefa dia tsy niverina intsony fa netin'ny rano tany. Natao avy hatrany ny fikarohana ny razana io alatsinainy io. Tsy hita mihitsy ilay tovolahy. Ny ampitso talata, akory ny hagagan'ny mponina fa tany anaty ranomsina no hita ny vatany efa tsy misy aina intsony. Mpanjono no nahita azy.
 - Kaporaly Bob, nalefa any Manankara. Nalefa any Manankara i kaporaly Bob noho ny raharaha fisolokiana vola nataony tamina olona maromaro. Efa vita ny famotorana azy natao tao Fianarantsoa. Tsy miova ny fiampangana azy fa io zavatra voalaza etsy ambony io ihany.
Nangonin'i r.s./Remi R./Lova 


1534midi-mg-001787-2889-27032008 Novonoiny ny zanany roa noho ny hasarotam-piainana
ANTSIRABE. Hafa raha samy hafa ny fisainan'ity vehivavy iray nisara-bady. Nifidy ny azo lazaina fa mora indrindra izy. Mora nefa mampalahelo.
Novonoiny ny zanany roa noho ny hasarotam-piainana
Zava-doza no vitan'ity vehivavy iray monina eny Trivatrinikamo Antsirabe. Vitany ny namono ny zanany roa be izao. Ny antony, rehefa nanontaniana izy dia noho ny hasarotan'ny fiainana. Tamin'ny herinandro teo no namonoany ny zanany faharoa vao 1 taona sy 1 voalana. Natsipiny tany anaty ranon'i Sahalombo ity zaza ity. Ankizy nandeha naka anana harivariva no nahita ny fatin'ilay zaza natsingevan'ny rano. Natao ny famotorana teo an-tanàna ka fantatra fa zanak'ity ramatoa efa nisara-bady ity io maty io. Zanany faharoa novonoiny io.
Tetsy an-danin'izany, nandositra izy ary tsy hita izay nalehany. Ny vaovao sasany no nahalalana fa nanaraka lehilahy izy. Mbola tanora tokoa ilay ramatoa. Nandritra ny telo andro no nikarohan'ny zandary azy. Omaly, tratra teny Atsimon'Ivohitra ity vahivavy ity. Niafina tao amina olona iray izy.
Notampenany ny orony
Rehefa voasambotra ny anao vavy ka nofotorana dia nilaza ny antony marina nanaovany izao zavatra mamoafady izao. Tsy vao izao mantsy izy no namono zanaka fa efa indroa. Tamin'ny taona 2004, novonoiny tamin'ny fomba mahatsiravina ny zanany vao 6 volana. Notantarainy teo imason'ny mpitandro filaminana ny zava-nitranga tamin'izany. Nolazainy fa notampenany ny orony sy ny vavan'ilay zanany. Rehefa tapitra ny ainy dia nilaza tamin'ny olona manodidina izy fa maty nianjera ny zanany. Dia vita mora teo raharaha tamin'io.
Nitohy ny famotorana ary nanondro vehivavy hafa iray izy izay nolazainy fa nanoro hevitra azy tamin'izao famonoana roa sosona izao. Io vehivavy io, hono, no nanao taminy hoe raha sarotra ny fiainana dia ity lalana natorony ity no fanafodiny. Nampanantsoiny ilay vehivavy. Nandà mafy tokoa anefa ity farany fa tsy nanome hevitra ratsy azy mihitsy.
Asa na tena noho izany fahasarotan'ny fiainana izany tokoa ny nahatonga ity ramatoa ity hanapitra ny ain'ireo tsy manan-tsiny ireo. Maro ihany ny tranga re tetsy sy teroa fa tsy mbola nisy mihitsy izany mahavita mamono anaka izany. Efa maro ireo fantatra fa nivaro-janaka rehefa tojo ny sarotra. Tao koa ireo nanary anaka tsotra fotsiny izao.
Lova 


1546midi-mg-001800-2909-28032008 Bientôt un spectacle de jazz, de classique et de danse
Ecole de musique Aria
Bientôt un spectacle de jazz, de classique et de danse
Musique classique, jazz ou même  ba gasy . L'école de musique Aria transcende les genres musicaux et permet à tous ceux qui le désirent d'avoir une éducation musicale complète. Le spectacle que son équipe d'enseignants va organiser, le 18 avril prochain, à la Résidence d'Ankerana permettra de découvrir toutes ces facettes.  Master show by the team  est un récital qui va permettre de découvrir les grands chefs-d'oeuvre de la musique classique joués en solo ou en musique de chambre, les standards de jazz et les plus beaux morceaux de  ba gasy . Il y aura cependant la cerise sur le gâteau, en l'occurrence des combinaisons de danse classique et de danse sportive.
Patrice RABE 
Cahier Culture 

1556midi-mg-001811-2922-28032008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ivato, kilemaina matin'ny taxi-be. Lehilahy kilemaina no nofaohin'ny fiara. Torana tsy nahatsiaro tena ary maty rehefa tonga tany amin'ny hopitaly.
Lozam-pifamoivoizana niseho teny Antanetibe Antehiroka afak'omaly tamin'ny 8 ora sy sasany. Taxi-be mampitohy an'Ivato amin'Antananarivo no nadona ary nahafaty olona. Lehilahy kilemaina iray, mitondra tehina, no nofaohin'ity fiara mini-bus mpitatitra olona ity. Araka ny fanazavan'ireo nanatri-maso dia teo am-piampitana ilay lehilahy no voafaoka. Torana tsy nahatsiaro tena izy, ary rehefa tonga teny amin'ny HJRA dia tapitra ny ainy. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny momba azy teny amin'ity tovolahy voadona ity ka tsy fantatra ny anarany sy izay havany.
 - Itaosy, mpianadahy maty an-drano. Ankizy roa, zanak'olona mianadahy, no indray maty an-drano omaly teny atsinanan'ny hopitaly Itaosy. Ilay lahy kely, 12 taona, ary ilay vavy 10 taona. Nandeha nandro teny amin'ireny lavaka feno rano avy nanaovana biriky ireny ireto ankizy ireto. Ankizy hafa niaraka tamin'izy ireo no nampandre ny tany an-tanàna rehefa nahita fa nantsingevan'ny rano ireo ankizy namoy ny ainy ireo.
Aina R./r.s. 


1557midi-mg-001813-2924-28032008 17 taona dia efa lehiben'ny jiolahy
Antsirabe
17 taona dia efa lehiben'ny jiolahy
Indroa ry zalahy no namaky trano teny amin'ny Cité FIFAMANOR. Amin'izao fotoana izao, tratra izy ireo. Miisa efatra ireto andian-jiolahy ireto ary ny tena mahavariana, ny zandriny indrindra no lehiben'izy ireo. Vao 17 taona monja izy io nefa dia afaka mibaiko ireo namany.
Tamin'ny tapatapaky ny volana marsa teo no novakian'izy ireo ny trano iray. Lasa tamin'izany ny vola mitentina Ar 3,4 tapitrisa, ny zava-maneno tao an-trano miampy finday roa. Tsy mba alina no nanaovany ny asa ratsiny fa teo anelanelan'ny tamin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 10 ora. Tsy nisy olona tao an-trano fa lasa niasa sy nianatra ireo mpianakavy. Araka izany, tsy sarotra tamin'izy ireo no niditra tao. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ka tamin'ny faha-25 marsa no vosambotra izy efa-dahy niaraka tamina vehivavy iray mpandray halatra. Tany amina trano iray, karazana hotely, no nahitana azy ireo. Voalaza koa fa ny tompon'io trano io no mpamatsy rongony azy ireo. Vola Ar 7 hetsy sy ny finday sisa no hita tany aminy.
Rehefa voasambotra izy ireo ka nofotorana dia nilaza fa izy ireo ihany no efa namaky ny trano hafa iray teny amin'iny faritra iny tamin'ny faran'ny taona 2007. Very tamin'izany ny kojakoja maro tao amin'ilay trano.
Ezaka lehibe no vitan'ny zandary niara-niasa tamin'ny fokonolona ka nahita izao vokatra izao. Mbola manao antso avo hatrany ny mpitandro filaminana mikasika ity fiaraha-miasa ity hahamoramora kokoa ny fikarohana ny olo-meloka. Etsy andanin'izany, tsy vao izao no nandrenesana zaza tsy ampy taona manao asan-jiolahy. ohatra amin'izany ilay niseho tany Antsiranana. Tsy mangalatra fotsiny ry zalahy fa mamono olona mihitsy.
Lova 


1585midi-mg-001842-2956-31032008 Miaramila voatifitra teo amin'ny feny
Anosivavaka
Miaramila voatifitra teo amin'ny feny
Tamin'ny zoma maraina, raha handeha hamonjy ny asany eny Analakely ity miaramila ity, no voan'ny bala tsy nahy teny Anosivavaka Ambohimanarina. Voa teo amin'ny feny izy tamin'izany. Tamin'io andro io dia nisy polisy tonga maraina nisambotra olona teny an-toerana. Olona telo no tratran-dry zareo tamin'io. Rehefa teny an-dalana anefa, asa izay zava-nitranga fa voakitika tsy nahy ny basin'ny polisy iray ary dia nipoaka ka niantefa teny amin'ny fen'ilay miaramila.
r.s.


1585midi-mg-001843-2957-31032008 Ar 1.032.000 tratra tany Mahitsy
Vola sandoka
Ar 1.032.000 tratra tany Mahitsy
Vola sandoka mitentina Ar 1.032.000 no tratran'ny polisy avy ao amin'ny SUT Tsaralalàna tany Mahazaza-Mahitsy, tamin'ny faha-26 marsa teo. Ar 10.000, Ar 5.000, ary Ar 1.000 sandoka no sarona tao amin'ny mpanamboatra izany. Lehilahy 39 taona izy io, manambady ary manan-janaka roa. Avy amin'ny renseignemants azon'ny polisy no nahalalana ny fisian'ireto vola ireto. Tamin'ny famotorana natao an'ity lehilahy ity no nahafantarana fa amidiny Ar 3.000 ny vola sandoka Ar 10.000 iray. Tamin'ny fisavana ny tranony no nahitana ireo fitaovana hary fomba fanamboarany vola toy ny solosaina, scanner, produits chimiques, découpeur, onduleur, stabilisateur, haut-parleurs, imprimante.
Niaiky ny zava-bitany moa izy ary nanambara fa efa ela no nanaovany izao asa fanaovana vola sandoka izao. Ny zoma 28 marsa teo izy no natolotra ny Fitsarana. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny polisy avy ao Tsaralalàna sy ny SUT (Surêté Urbaine de Tananarive) no nahatontosana izao fisamborana izao.
Ony A.


1585midi-mg-001844-2958-31032008 Olona iray maty voatifitry ny polisy
ANKARAOBATO. Nirefotra indray ny basy tamin'ny zoma maraina.
Olona iray maty voatifitry ny polisy
Lehilahy, 35 taona, avy any Ankazomanga no maty voatifitry ny polisy avy ao amin'ny SAG (Service Anti Gang) ny zoma 28 marsa teo, tao Ankaraobato. Voalazan'ny vaovao fa raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ireto ny roalahy tao anaty fiara dia nanao fihetsika hafahafa. Ny iray voalohany nivoaka ny fiara ary nanao fijery mahery. Ilay faharoa kosa namoaka basy avy any am-balahany ary nitifitra an'ireo polisy. Mba ho fiarovan-tena dia namely ireo mpitandro filaminana. Notifirina tamin'ny tongony ilay olona mba hahalalana izay tena marina. Tsy nijanona teo anefa ilay nanana basy fa mbola namely ihany. Voatery nandray ny andraikiny ny polisy nandavo ity olona ity.
Araka   ny vaovao, dia naharay antso an-tariby avy amin'ny mponina eny Ankaraobato ry zareo avy ao amin'ny SAG ny marainan'ny zoma tokony ho tamin'ny 7 ora sy 45 mn. Nilaza ilay niantso fa misy andian'olona mampiahiahy sady mikirakira basy nivorivory teo an-tanàna. Nony tonga teny an-toerana ny polisy dia efa niparitaka ny sasany saingy ireo roalahy ireo no mbola tafajanona satria maty ny fiara 505 izay nentiny. Tao anaty fiara izy ireo tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpitandro filaminana. Basy Beretta 9 mm long no hita teny amin'io lavon'ny polisy io, miaraka amin'ny bala miisa 15. Ilay namany kosa dia tafatsoaka. Notazonina eny amin'ny polisy eny Anosy kosa ilay fiara 505.
  Ony A.


1585midi-mg-001845-2959-31032008 Kidnapping niafara tamin'ny fahafatesana
ASAN-JIOLAHY. Fandrobana miharo herisetra, halatra sy fisolokiana isan-karazany, vonoan'olona. Saika isan'andro no aharenesana izany.
Kidnapping niafara tamin'ny fahafatesana
  Hita faty teny Andranotapahana ny Karana lahy iray, tamin'ny zoma 28 marsa lasa teo. Nifatotra tady  nylon  ny tongotra aman-tanany. Mpiandry rano nandeha naka lakana io maraina io no nahita ny razana natsingevan'ny rano. Io no nampandre ny mpitandro filaminana tao Talatamaty. Ireto farany kosa tonga nijery ny fandehan-javatra teny an-toerana. Jakir Abasse Rizwi no anaran'ity olona namoy ny ainy ity. 43 taona izy izao niharan'ny hetraketraky ny sasany izao. Mpitondra fivavahana silamo ao amin'ny fianakaviambe Khoja izy ary vao tonga avy any Inde. Tsy mipetraka eto Madagasikara izy fa mivezivezy eo amin'ny firenena roa tonta. Efa hatramin'ny taona 1994 no nanaovany izany. Ny vady aman-janany aza voalaza fa any ivelany any no monina. Ny vaovao ihany no nahalalana fa efa 15 andro no tsy hita ity olona ity. Teo anelanelan'ny nahitana ny fatiny sy ny andro tsy nahitana azy anefa dia voalaza fa toa hoe nisy naka an-keriny izy ary nisy ny fangatahana vola takalon'aina nataon'ireo mpaka an-keriny. Efa nefaina anefa, hono, io vola io. Ny zavatra mahagaga ny rehetra dia izao, na dia efa naloa aza ny vola takalon'aina dia io mbola novonoina io ihany ilay Karana. Araka ny fandinihan'ny mpitandro filaminana ny razana dia efa maty izy no natsipy tany anaty rano. Nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana, ny zoma antoandro. Tamin'ny sabotsy no nalain'ny mpiray tanindrazana aminy teny ary nalevina eny amin'ny fasana Ankadikely.
r.s.
 
Lire aussi
Vola sandoka Ar 1.032.000 tratra tany Mahitsy  
Anosivavaka : Miaramila voatifitra teo amin'ny feny


1586midi-mg-001847-2961-02042008 Soloniaina Jean de Dieu qualifié pour Beijing
BOXE. Le suspens est fini pour la boxe qui vient d'aligner un pugiliste pour la Chine, en Namibie
Soloniaina Jean de Dieu qualifié pour Beijing
Et voila ! Un boxeur sur 4 est qualifié pour Beijing, après la dernière qualification qui s'est tenue ces derniers jours, à Windhoek Namibie. Jean de Dieu Soloniaina a raflé la médaille d'or des moins de 60kg en s'imposant en finale devant Rasheed Lawal du Nigeria et la 3è place de cette catégorie a été attribuée à Julius Indongo de la Namibie. Quinze pays africains ont ainsi réussi à envoyer des athlètes pour la Chine au mois d'août. Dommage pour Lalaina Rabenarivo (48 kg), Marolahy Auguste (54 kg) et Elie Randrianjanaka (51 kg) qui ont laissé échapper leur chance.
Anny Andrianaivonirina
Sports 

1592midi-mg-001854-2969-01042008 Namono tena tamin'ny &quot;nivaquine&quot;
Sambava
Namono tena tamin'ny nivaquine
Nahatratra hatrany ny roapolo ny fanafody nivaquine nohanin'ity tovovavy iray. Rehefa izany lasa nitaingina taxi-brousse ho any Vohemar izy. Teny an-dalana anefa, rehefa teo Antsirabe II dia tapitra tao anaty fiara tao ny ainy. Tsy nahalala izay antony moa ilay mpamily ka nitondra azy hatrany Vohemar ihany. Tamin'ny sabotsy teo no niseho ity zavatra ity tao amin'ny fokontany Ambodisatrana II any Sambava. 17 taona ity tovovavy namono tena ity. Ny antony nanaovany izany, araka ny vaovao, dia noho ny tsy fahazakany ny anatranatra sy ny fitenenana ataon'ny ray aman-dreniny azy. Isaky ny misy fitenenana atao azy, hono, mantsy dia milaza ny hamono tena hatrany ramatoakely. Efa manambitamby azy foana anefa ireo nahitany masoandro mba tsy hanaovany izany. Asa anefa izay niseho tamin'ity indray mandeha ity fa dia io notanterahiny io tokoa ilay zavatra. Efa noferan'ireo ray aman-dreny ireo ny mpivarotra fanafody tao an-tanàna tsy hanome azy na inona na inona. Fantatr'ity ankizivavy izany koa dia tany amin'ny toeran-kafa izy no nividy. Namany iray no nahalalana fa rehefa azony ireo fanafody ireo dia nototoiny ary nohaniny. Nandray taxi-brousse izy avy eo hamonjy ny sipany any Vohemar.
Remi R. 


1592midi-mg-001855-2970-01042008 Jamala 100 kilao mahery sarona
Antsiranana
Jamala 100 kilao mahery sarona
Voasambotra tao amin'ny fokontany Scama tao Diégo, niaraka tamin'ny rongony eo amin'ny 100 Kg eo, ny sabotsy maraina teo Rabena, 36 taona. Olona noahiahiana efa ela izy ity, hoy ny filohan'ny fokontany Bekamisy Jean Guys Albert, fa izao vao nahitana porofo. Tamin'ny 3 ora sy sasany maraina no nahatratrarana azy teo an-tokontaniny rehefa nanao fisavana ny zandary sy ny lehiben'ny fokontany. Hatreto dia tsy mbola niaiky Rabena fa azy ireo rongony ireo. Araka ny nambarany tamin'ireo zandary, dia iraka ihany izy saingy tsy mbola nambarany ny olona naniraka azy hatramin'izao. Efa eo am-pelatanan'ny zandary ao amin'ny camp-parde izy amin'izao fotoana izao atao famotorana mialoha ny handefasana azy any amin'ny fampanoavana.
 Commando 
Na dia efa lasa aza ireo commando tao anatin'ny force spéciale dia mbola mitohy ny asa ataon'ny mpitandro filaminana amin'ny famongorana ireo olon-dratsy ao Diégo, indrindra amin'ity resaka rongony ity. Tsy handefitra ny zandarimariam-pirenena, hoy ny Commandant de Brigade Solo Celestin, fa tsy maintsy hanohy ny asa famongorana ity fiparitahan'ny jamala eto Antsiranana ity.
V.JCL 


1592midi-mg-001856-2971-01042008 Tapatapany
Tapatapany
 - Andraharo, olona 2 naratra mafy. Omaly alina dia nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin'ny vahilava Ambohimanarina. Potika tanteraka ny ilan'ilay fiara 305 notringisin'ny kamiao. Naratra avokoa ireo olona roa tao anatiny ary tsy maintsy nentina tany amin'ny hopitaly.



1593midi-mg-001858-2973-01042008 Fatim-behivavy efa simba tao anaty tatatra
Antsirabe
Fatim-behivavy efa simba tao anaty tatatra
Tamin'ny sabotsy teo no nisy nahita tao anaty tatatra ny fatina vehivavy iray tokony ho eo amin'ny 40 taona eo. Tany Ambohimanga, Antsirabe no nisy izany. Efa simba tanteraka ny razana tamin'ny nahitana azy. Tonga teny an-toerana ny polisy sy ny BMH nizaha ny razana. Tamin'izany no nilazan'izy ireo fa efa ela no tao anaty rano tao ny fatin'ity ramatoa ity. Tsy nisy ratra hita mivantana ihany koa teny amin'ny tenany. Ny zavatra iray nahavariana ny olona dia ny akanjo nanaovany. Voalaza fa maro sosona izany, mahatratra hatrany amin'ny folo.
Tsy nisy taratasy nahalalana azy tany amin'ity olona ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny fokonolona teo an-toerana nikarakara sy nandevina ny razana. Rehefa vita anefa ny fandevenana vao nisy olona tonga teny an-toerana raha nahare ny vaovao. Niangavy izy ireo ny mba hamongarana ny razana. Tsy azo natao anefa izany noho ny fahasimbana be. Ny antony nangatahany izany, dia manana havana, izay vehivavy tsy salama saina, ry zareo ary tsy hita efa hatramin'ny Paka ilay izy.
Lova 


1624midi-mg-001890-3012-02042008 Mpivarotra mofo gasy voatsindrona antsy
Endaka.
Mpivarotra mofo gasy voatsindrona antsy
Voatsindrona antsy teo amin'ny sandriny havia sy teo amin'ny kibony ity mpivarotra mofo gasy iray. Tamin'ny fotoana nandehanany nody no sendra mpanendaka maromaro izy teny Antaninandro akaikin'ny lasantsy, tamin'ny asabotsy teo tokony ho tany amin'ny 8 ora alina tany. Tsy maintsy notsaboina tany amin'ny hopitaly ity olona ity noho ireo ratra nahazo azy ireo.
Eny Amboditsiry izy no mivarotra ary hody eny Faravohitra. Lalana falehany isaky ny mirava iny moa iny lalana iny. Sendra ny tsy nampoizina anefa izy tamin'io hariva io. Nody nodonin'ireo mpanendaka aloha izy. Tonga dia notsindromina antsy avy eo. Soa ihany fa somary niakatra kely ilay sandriny havia ka teo no niantefa ny antsy fa raha tsy izany angamba dia ho gorobaka ny tratrany.
Tsy mifidy hasiana araka izany ny jiolahy fa izay sendra azy ireo dia robainy avokoa. Tsy fantatra na misy vola ohatrinona na ohatrinona tany amin'ity mpivarotra mofo gasy ity. Tsy ho volabe mihitsy aloha. Ny vola maty tamin'io asabotsy io mantsy no tany aminy.
Faritra anisan'ny anjakan'ny mpanendaka iny Antaninandro mipaka hatraty Ankaditapaka sy ny midina any Behoririka iny rehefa maizina ny andro. Amin'ny maraina dia ny mpiantsena   indray no ataony lasibatra.
r.s.


1624midi-mg-001891-3013-02042008 Fifanosehana nitarika fahafatesana
Ambohiboahangy
Fifanosehana nitarika fahafatesana
Filam-baniny no niatombohany tao Ambohiboahangy,tamin'ny volana desambra 2006. Efa mamomamo ity lehilahy iray tamin'izay, ary dia saika hila ady toy ny fanaony tamin'ny rafilahiny. Rehefa tsy hitany anefa ity farany dia ny zandriny no nohantsiany. Niezaka niala sy nanalavitra azy ihany ity tovolahy fa mbola narahiny avy ato aoriana hatrany ary raha ndeha hamely azy iny indrindra izy no natosik'ilay tovolahy. Nianjera teo amin'ny arabe ity farany ary tsy tafatsangana raha tsy nobataina. Narary vokatr'izany izy ary dimy andro taty aoriana dia maty. Niakatra fitsarana omaly moa ny raharaha. Tsy nanda ny fiampangana azy ilay tovolahy ka niaky ho nanosika an'ity lehilahy maty ity. Saingy nanambara kosa izy fa tsy ninia namono azy fa nanosika azy fotsiny   mba hialany tamin'ny vono saika nahazo azy. Tsy noheveriny hahafaty azy velively ilay fanosehany nataony ary tsy nihevitra ny handratra azy akory ary izy fa dia mba hampitsahatra ny ady fotsiny. Kanefa moa nahafaty olona izy na dia tsy nahy aza koa dia voaheloka hisazy 3 taona an-tranomaizina , sazy mihatra, ary handoa onitra 1.000.000 Ariary.
Ony A.


1625midi-mg-001893-3015-02042008 Nifampitifitra ny fokonolona, roa no maty
BESALAMPY. Tsy fifankahalalana teo amin'ny mpiandry kizo sy ireo mpividy omby no nahatonga izao faty olona izao.
Nifampitifitra ny fokonolona, roa no maty
Raikitra ny fifampitifirana tany Besalampy, kaominina Andranovorikely ny faran'ny herinandro teo. Vokany: olona roa no maty. Nandalo tao amina kizo, fandalovan'ny malaso sy ny omby ny andiana mpividy omby handeha hamonjy tsena. Nisy fokonolona nanao fiambenana anefa tao tamin'io fotoana io. Nanontany ny antondian'ireto mpividy omby ireo fokonolona. Tifitra variraraka anefa no valiny, satria nihevitra ireo mpividy omby fa dahalo ireto nanontany azy ireto. Olona roa no voan'ny bala tamin'izany ka ny iray naratra mafy, ny iray kosa namoy ny ainy. Nirifatra nandositra ireo mpividy omby raha vao avy nitifitra. Nanenjika avy ato aoriana ireo fokonolona ka tratra ihany ireo nitifitra. Raikitra ny fifanjevoana ka naratra mafy ny iray tamin'ireo mpividy omby. Tsy naharitra ela anefa dia tapitra ny ainy. Tsy niato hatreo anefa fa nitohy ny fifampiresahana ka teo vao nifankahalala fa hay tsy misy dahalo akory amin'ireto mpifanadrina ireto. Nantsoina ny zandary ka natao ny fifampiraharahana. Na izany aza nisy ihany ny fanadihadiana nosokafana ary efa nisy ireo olona nalaina am-bavany. Ny zandary any an-toerana no mandray an-tanana ny famotorana. Ankoatra izay, dia mitohy tsy an-kijanona ny ezaka ataon'ny zandarimaria amin'ny famongorana ny asan-dahalo. Nahitam-bokany izany tany amin'ny faritr'Ihorombe sy tany amin'ny faritr'i Betsiboka. Nisy ny dahalo azo sambo-belona ary nisy ny voatifitra.
Lire aussi
 
Mpivarotra mofo gasy voatsindrona antsy


1647midi-mg-001916-3042-03042008 Naman'I Dôrrick roalahy, nalefa eny Tsiafahy
Naman'I Dôrrick roalahy, nalefa eny Tsiafahy
Manao izay fomba rehetra mety ahitana ny toerana iafenan'I Dorrick ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Na dia mbola tsy tratra aza izy dia efa maro kosa ireo namany no voasambotra. Isan'izany ireto roalahy voasambotra tamin'ny faran'ny herinandro ireto. Nalefa eny Tsiafahy izy ireo taorian'ny famotorana natao azy. Ankoatra ny firaisana tsikombakomba amin'olon-dratsy, dia voarohirohy amin'ny raharaha fanafihana mitam-piadiana sy halatra entana koa izy roalahy ireto. Izany Ledada Tigre izany no anaran'ny ahafantarana ny iray, ary jiolahy tena ikoizana tokoa izy io. Araka ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro filaminana dia mpiray tendro akaiky amin'I Dorrick izy roalahy voasambotra ireo.
Tambiny
Efa maromaro ihany izay namany voasambotra sy nalefa eny am-ponja izay, saingy hatramin'izao dia mbola tsy hita ity lehilahy mahery ity. Isan'ny sakana iray tsy ahatratrarana azy koa ny tsy fahafantaran'ny olona rehetra ny tarehiny, ka na misy mahita azy aza dia tsy mahafanatatra azy akory. Hetsika iray tokony hatao ny fanaparitahana ny sariny amin'ny haino aman-jery sy ny biraom-panjakana rehetra. Na koa, nahoana moa raha asiana volabe tambiny toy ny natao tamin'ny fisamborana ny Jeneraly Randrianafidisoa sy ny hafa ireny?



1647midi-mg-001917-3043-03042008 Trakta mitaona hilahatra
Mahajanga
Trakta mitaona hilahatra
Nanomboka ny Talata voalohan'ny volana aprily teo dia misy peta-drindrina miparitaka manerana ny tanana mitaona ny olana hilahatra eny amin'ny Parc JIRAMA. Tsy fantatra izay manely ireo peta-drindrina ireto. Araka ny vaovao voaray dia fahehoana tsy fankasitrahana ny délestage no anton'izao fanentanana izao. Manoloana izany dia miomana ny mpitandro ny filaminana amin'izay mety hitranga.
Ony A. 


1648midi-mg-001919-3045-03042008 Sri lankais 15 indray nampodiana
Pasipaoro sandoka. Mitovy tanteraka tamin'ny nataon'ireo Irakiana roa lahy. Niditra teto Madagasikara niaraka tamin'ny pasipaoro ara-dalàna, ary saika nivoaka teto tamin'ny pasipaoro sandoka...
Sri lankais 15 indray nampodiana
Ny talata teo izy ireo no nalefa nody any an-tanindrazany, na ny marimarina kokoa noroahina. Toa izao ny fandehan-javatra. Niditra teto Madagasikara izy ireo, 15 andro lasa izay, niaraka tamin'ny pasipaoro Sri lankais. Saika hivoaka ny nosy kosa niaraka tamin'ny pasipaoro Malaisiana, mazava hoazy fa sandoka. Mailo ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany. Nandeha ny fanaraha-maso ireo vahiny ireo ary dia hita tokoa, rehefa narahina tetsy sy teroa, fa nandika lalàna ireo. Raha zohiana dia hanao io pasipaoro sandoka io fotsiny no tena antodian'ireo teto Madagasikara. Tranga tsy dia vaovao loatra. Ny farany indrindra sady nahasarika ny sain'ny maro dia ny fisian'ireo Irakiana roalahy izay sarona niaraka tamin'ny pasipaoro hosoka koa.
Tambajotra
Ireo tranga ireo ihany dia manazava fa tadiavin'ny sasany hararaotina hatao toerana fanaovana hosoka (plaque tournante) I Madagasikara. Raha ny fahafantarana azy dia efa misy tambajotra matanjaka ao ambadiky ny raharaha toa izao. Tamin'ity tranga mahakasika Sri lankais ity ohatra dia fantatra fa nisy tamin'izy ireo no efa monina eto Antananarivo sy mivelona amin'ny fanaovana hosoka. Teratany Sri Lankais ihany izy io raha araka ny vaovao hatrany. Fa ny tena mahavarina dia ny mbola hahavitan'ireo ny hosoka amin'izao andron'ny pasipaoro biométrique izao. Mazava ary tsy azo lavina fa manamora izany ny fivoaran'ny teknolojia, nefa na izany aza toa mahavarina ihany hoe vao tsy nisy herintaona akory no nametrahana io rafitra io eto amintsika dia efa misy mitady hahavita sahady.
Gaboraraka
Soa fa efa mihamafy ny fanaraha-maso ny vahiny izay tonga sy mivoaka eto amintsika, fa raha mbola gaboraraka toa ny teo aloha dia asa fotsiny izay mety hiafaran'I Madagasikara. Asa, mety ho lasa fialokalofan'ireo vazaha mpanao ratsy angamba. Na izany na tsy izany dia tsy azo lavina fa mbola marefo ny sisin-tanintsika. Sarotra ny manara-maso azy raha oharina amin'ny fitaovana sy ny olona ananan'ny mpitandro ny filaminana. Midadasika loatra mantsy. Mazava arak'izany raha mora foana dia tafiditra sy miantsona eto amintsika ny zava-maha-domelina tena manimba toa ny cocaine sy ny heroine. Raha tsy hitanisa afa-ts'ireo ihany...
Didi R. 


1672midi-mg-001944-3078-04042008 Tanàna iray voatafika, voaolana ny vehivavy, nafatotra ny lehilahy
ASAN-JIOLAHY. Tsy aty an-drenivohitra ihany no andrenesana fandrobana fa any ambanivolo lavitra any koa.
Tanàna iray voatafika, voaolana ny vehivavy, nafatotra ny lehilahy
Mirongatra ny asa ratsin'ny jiolahy any amin'ny faritra Maroantsetra any. Tamin'ny voalohan'ny volana aprily teo dia tanàna iray no notafihan'ny jiolahy mirongo basy. Vao tonga ry zalahy dia napoakany ny basy. Tsy nisy sahy nanao fihetsika mahery ny olona tao manoloana izany. Rehefa izany dia nafatotr'izy ireo ny lehilahy. Ny vehivavy kosa nohidiany tao amina trano iray ary nambenany ny varavarana nahafahan'izy ireo manolana an'ireo fanaka malemy. Nisy zazavavy kely iray vao 12 taona tamin'ireo voaolana ireo. Renim-pianakaviana iray no saika hamaly ka novonoin'izy ireo.
Tetsy andanin'izany, nanara-po nibata ny entana rehetra tany an-trano ireto olon-dratsy ireto. Nentiny ihany koa ny omby. Rehefa azon'izy ireo izay nilainy dia lasa nandeha ry zareo. Tanàna ambanivohitra eo anelanelan'i Maroantsetra sy Mandritsara io nisy nanafika io. Ireo toerana somary ambanivolo ka lalovan'ny jiolahy dia mitondra faisana avokoa. Tsy ny entana any an-trano ihany no very fa lasa hatramin'ny voly eny an-tsaha.
Nampilazana ny mpitandro filaminana. Natao ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Vokany, voasambotra ny sivy tamin'izy ireo ary efa natolotra ny mpitsara mpanao famotorana any an-toerana. Hita tamin'ny fisamborana azy ireo ny voly rongony miisa 525.
Remi R./r.s. 


1673midi-mg-001946-3080-04042008 Brechard sy Ramora: adino tanteraka!
Asan-jiolahy
Brechard sy Ramora: adino tanteraka!
Brechard sy Ramora Bemaso. Takona tanteraka ireo anarana ireo manoloana an'i Dôrika. Raha ny marina anefa dia nahavita heloka maro noho i Kouakou sy Rakotobe Jean izy ireo. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fanafihana ny Adéfi etsy Antanimena izay nahafatesan'ny mpiambina iray. Raha araka ny fantatra mantsy dia nihaodihaody teo ary nisy nahita izy ireo herinandro talohan'io fanafihana mitam-piadiana io. Jiolahy efa tsy zoviana amin'ny mpitandro filaminana intsony i Brechard raha tsy hilaza afa-tsy ny fanafihany ny orinasa Naza tamin'ny taona 2001. Teo ihany koa ny fanafihany orinasa sinoa iray eny Anosipatrana tamin'ny taona 2007. Miampy izay hafa rehetra tsy ho voatanisa. Efa voasambotra izy ary naiditra am-ponja tao anatin'ireo vanim-potoana ireo saingy tsy ela dia efa miverina miriaria etsy sy eroa indray ka manohy ny asa ratsiny. Ny fanadihadiana hatrany no nahalalàna fa mbola ireo roalahy ireo koa no tompon'antoka tamin'ilay fanafihana tranom-pilokana na casino tetsy Antanimora.
Teknolojia
Nitsoaka tany Alasora izy ireo rehefa vita ny asa ratsiny. Fantatra koa fa matetika mitsoaka any amoron-tsiraka izy roa lahy. Ireny fitaovana manaraka ny toetr'andro ireny, toy ny finday avo lenta sy solosaina azo entina mandehandeha no tena mahasarika an'i Brechard sy ny namany. Efa maro ny zava-bitan'ireo raha ny asan-jiolahy no resahina. Efa imbetsaka ihany koa ireo no votsotra teo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana. Mazava arak'izany fa tsy tokony ho variana amin'i Dôrika loatra ny pôlisy sy ny zandary. Tsy lavina fa efa lasa fahavalom-pirenena io farany noho izy efa indroa nomelohina ho faty nefa mbola tafatsoaka ihany koa. Saingy mbola maro ny jiolahy raindahiny sy nahavita asa ratsy mihoatra lavitra noho ny vitan'i Dôrika. Indrindra koa raha fantatra fa efa niray tendro tamin'i Lamà Ramora Bemaso tamin'ireny raharaha maloto izay efa tsy hiverenana intsony ireny. Mbola maro ny jiolahy nahavita heloka bevava no miriaria any. Ao anatin'ity lahatsoratra ity fotsiny dia efa efatra ny anarana voatonona ao.
Didi R. 


1697midi-mg-001971-3148-05042008 Efadahy nandroba tranon-tsinoa
Tsimbazaza
Efadahy nandroba tranon-tsinoa
Omaly maraina be tokony ho tany amin'ny 5 ora tany dia norobain'ny sasany ny tranon-tsinoa iray monina eny Tsimbazaza. Araka ny fantatra dia olona efatra no nanao be sisika niditra ny trano. Tsy voalaza kosa na nitondra fitaovam-piadina izy ireo na tsia. Ny zava-nisy dia tsy maintsy nandeha nitsabo tena tany amin'ny hopitaly ny tompon-trano. Tamin'ny nahatongavan'ny mpitandro filaminana teny an-toerana nizaha ny tao an-trano dia tsy nisy olona tao. Trano mikorotana ambony ambany no novantanin'izy ireo. Noho ny tsy fahitan'izy ireo an'ilay sinoa dia tsy fantatra marina izay tena lasan'ireo mpangalatra.
Nandray ny andraikiny avy hatrany ny lehiben'ny fokontany ary nametraka olona roa teo ivelan'ny trano niambina izany niandry ny fiverenan'ny tompon-trano.



1697midi-mg-001972-3149-05042008 Votsindrona antsy ny tompon-trano
Fandrobana
Votsindrona antsy ny tompon-trano
Voatsindrona antsy teo amin'ny sandriny sy ny kibony ny tompon'ny trano roalahy. Tamin'ny alakamisy alina no niseho ny halatra tao amin'ny tranon'izy ireo tany Betafo Antsirabe. Raha mbola variana nijery fahitalavitra izy ireo no nahare olona nisikotra ny varavarana tany ambany. Nojerena, ka ireo tokoa misy mamaky ny varavaran'ny lakozia. Tsy niandry ireo tao an-trano fa nitsambikina avy eny an-davarangana ny roalahy nanejika. Tratran-dry zareo ny iray fa afaka nandositra kosa ilay namany. Be noho  ny vitsy ka niharan'ny hatezeran'ny tompon-trano teo ilay mpangalatra. Nanao mody torana ny anao lahy ary tsy nihetsika intsony.
Rehefa nahita izany ireo mpanenjika dia niantso ny fokonolona tamin'izay. Raha mbola variana anefa izy ireo dia niarina tampoka ilay jiolahy. Tonga dia notsindroniny antsy izy roalahy ary voa daholo. Tetsy andaniny, tonga ny olona ary Raha nahita azy roalahy voan'ny antsy ireo dia tsy niraharaha ilay mpangalatra fa namonjy ireo naratra. Tamin'izay no nanararaotra nandositra ilay mpandroba ary tsy hita izay nalehany.
Rehefa nahazo fitsaboana teny amin'ny hopitaly Andranomadio ireo naratra dia tsy misy atahorana ny momba azy ireo.
Lova 


1697midi-mg-001973-3150-05042008 Nahafaty olona indray
By pass
Nahafaty olona indray
Nitsoaka izy rehefa nandona olona tamin'ny fiarany. Ilay niharan-doza kosa maty tsy tsa-drano, naterin'ny olona teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA. Alim-be, afak'omaly, no nisehoan'izany, mbola tetsy amin'ny By-Pass ihany. Matetika hitrangan'ny lozam-pifamoivoizana tokoa mantsy iny toerana iny, ankoatra ny asan-jiolahy isan-karazany. Tsy vao izao koa no nisy ny fitsoahan'ny mpamily nahafaty olona teny amin'ny manodidina teny. Mazava arak'izany fa tsy dia zava-baovao loatra izy ity na dia nahafaty olona aza. Entina hanairana ny tompon'andraikitra izany raha izao no mitohy dia ho lasa toeran'ny tsy fanarahan-dalàna iny lalam-baovao iny. Raha momba ny lozam-pifamoivoizana manokana dia efa am-polony sahady izay ny olona maty tao anatin'izay telovolana voalohany izay. Teto an-drenivohitra fotsiny io. Raha ny tatitry ny pôlisy misahana izany na ny BAC ohatra, dia efa feno folo ny namoy ny ainy noho io antony io, nandritry ny volana janoary sy febroary fotsiny. Ny naratra kosa dia tafakatra ho 192 tao anatin'io fe-potoana mitovy io. Manazava izany fa mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana eto Antananarivo. Tsara hotsipihana koa fa amin'ny antsasamanilan'ireo tranga ireo dia saika nitsoaka hatrany ireo mpamily nahavanon-doza.
Didi R. 


1697midi-mg-001974-3151-05042008 Tsy mety miravona ny disadisa
FKPMA ANKAZOMANGA
Tsy mety miravona ny disadisa
Mbola tsy mety miravona hatramin'izao ny disadisa misy eo amin'ireo mpiangona ao amin'ny Fiangonana Kristiana Protestanta Malagasy Ankazomanga (FKPMA). Hatramin'izao aloha dia mbola tsy mazava marina ny tena fototry ny olana. Fa ny fantatra dia mizarazara be ihany ny hevitry ny mpiangona. Efa mandeha ihany koa ny fifampitoriana eny amin'ny Tribonaly. Ny antoko ilany, izay milaza fa nahazo alalana avy any amin'ny Préfet, nibahana sy nanakatona ny fiangonana. Ny andaniny anefa mitsipaka izany ary mametra-panontaniana hoe : didy fanakatonana fiangonana ve tsy tokony horaiketina an-taratasy fa hatao am-bava fotsiny, na dia vonjimaika aza?
Mahetsaka 


1697midi-mg-001975-3152-05042008 Nisy nanota fady, nirefotra ny varatra
Mananjary
Nisy nanota fady, nirefotra ny varatra
Niala tany Nosy Varika tamin'ny alarobia maraina ny lakana iray ho any Mananjary. Nisy tamin'ireo mpandeha anefa nitondra kisoa velona miisa valo. Araka ny fantatra dia fady kisoa iny lakandranon'i Pangalanes iny. Rehefa tonga teo amin'ny vavarano lehibe iray antsoina hoe  Andranazavaka dia nijanona tampoka ny moteran'ilay lakana. Ny toetr'andro anefa tsara dia tsara. Tampoka teo, nivadika izany ary nisy tafio-drivotra nifofofofo be. Tsy fantatra izay fandehany fa nisy garaba iray feno akoho nentin'izany rivotra izany ary lasa any anaty rano. Nirefotra ihany koa ny varatra ary nilatsaka ny havandra. Tsy fotoan'ny orana anefa.
Teo vao samy gaga ny rehetra. Ny amin'ilay akoho iray garaba kosa. Ankevin'ny halatra izy ireo ka izany no nitondran'ny rivotra azy. Tsy fantatra kosa anefa ny amin'ireo kisoa valo.
Misitery maro ny ao anatin'io vavarano io. Rehefa tezitra dia mamono mihitsy araka ny fantatra. Mitondra fahasoavana ihany koa anefa.
HAR 


1697midi-mg-001976-3153-05042008 Raikitra ny tora-bato
Analakely-Behoririka. Tsy mety milamina mihitsy ny tsena eto an-drenivohitra. Manao fangalam-piery ny mpivarotra sy ny tompon'andrikitry ny kaominina. Nisy ny be midina omaly.
Raikitra ny tora-bato
Raikitra ny tora-bato omaly teny Behoririka vokatry ny fandraofana ireo mpivarotra amoron-dalana. Nanao be midina tamin'ny faritra misy azy ireny ny avy ao amin'ny kaominina nanala ireo mpivarotra tsy ara-dalana. Tsy teny behoririka ihany anefa moa fa hatrany analakely sy ny manodidina. Nanomboka teo ny disadisa. Avy hatrany dia nampiakarina anaty fiarabe izay entana tratra. Nisy tamin'ireo mpivarotra nanandrana naka izany entana izany nefa voasakana hatrany. Tamin'izany no nisy naharatrana vitsivitsy. Tsy faly tamin'izany ireo mpivarotra ary dia nanomboka teo ny tora-bato.
Nitantara ny sasan-tsasany tamin'izy ireo fa nentina fotsiny ny entany nefa tsy nomena taratasy momba izany fandraofana ny entana izany akory ry zareo. Ny iray tamin'izy ireo koa nilaza fa mahatratra hatrany amin'ny 4 tapitrisa Ar ny entany vao avy novidiana nefa lasa any. Etsy andanin'izany, nilaza koa izy ireo fa tsy manana toerana mazava hivarotana ka ny fangatahany dia ny hanomezana azy ireo toerana ara-dalana rehefa alana avy eny amoron-dalana eny.
Tsy mety milamina mihitsy ny resaka fivarotana amoron-dalana indrindra ny any afovoan-tanana. Mahatsapa ny tompon'andraikitra fa misy amin'ireny olona omena toerana ireny no tsy mampiasa izany akory fa aleon'izy ireo mandeha eny amoron-dalana eny ihany. Tsy amin'ny sisiny akory ny sasany fa eny afovoan'ny arabe. Miteraka fitohanan'ny fifamoivoizana izany matetika. Dia raikitra eo foana ny fangalam-piery.

Lire aussi - Tsimbazaza : Efadahy nandroba tranon-tsinoa - Fandrobana : Votsindrona antsy ny tompon-trano - By pass : Nahafaty olona indray - FKPMA Ankazomanga : Tsy mety miravona ny disadisa - Mananjary : Nisy nanota fady, nirefotra ny varatra 


1697midi-mg-001977-3154-05042008 Nipoaka ny basy
TSIAFAHY. Tranga tsy fahita firy any anivon'ny fonja raha tsy hoe misy fahavakisana na fitsoahan'ny gadra.
Nipoaka ny basy
Vaky ve ny fonja sa nisy gadra nitsoaka ? Nipoaka ny basy teny Tsiafahy afak'omaly. Hatairana ny an'ny rehetra tao amin'ny fonjaben'ny Tsiafahy afak'omaly hariva. Nahenoana poa-basy mantsy tao. Tranga izay tsy dia fahita firy eny anivon'ny fonja raha tsy hoe anagaha misy hatairana toy ny fitsoahan'ny gadra na fahavakisan'ny fonja, na koa misy fanafihana avy aty ivelany. Toy izao ny fandehany. Nipoaka teo am-panolorana azy ilay basy. Mpitandro filaminana roalahy, nifandimby tamin'ny fiambenana ny fonja no nifanolotra basy. Teo indrindra anefa no nirefotra ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Samy nikoropaka avokoa ny rehetra. Soa fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy. Efa niatrana am-bava-basy avokoa ny rehetra raha vao naheno ilay fipoahana, hoy ny fitantaran'ny mpiambina iray. Fantatra ihany anefa avy eo ny anton'ilay poa-basy fa vokatry ny tsy fitandremana tamin'ny fikitihana azy. Efa nisy ny famotorana nosokafana ary efa nandray ny fepetra rehetra mifanaraka amin'izay zava-nitranga ny tomponandraikitry ny fonja.
Toerana saro-pady tokoa ny eny anivon'ny fonja. Ka na ny mpiambina aza tsy mahazo mitondra basy any anatiny any. Amin'ny maha fonja fitazonana ireo gadra tena atahorana ny eny Tsiafahy anefa dia ifanampian'ny polisy, zandary, miaramila sy ny penitansiera ny fiambenana ny eny. Ankoatra ny fahatahorana ny fitsoahan'ny gadra dia ambenana fatratra ihany koa ny mety ho fanafihana avy aty ivelany.



1706midi-mg-001987-3170-07042008 En lice dans plusieurs Régions
INDEPENDANTS
En lice dans plusieurs Régions
Sur les quatre candidats aux sénatoriales, dans la région Analamanga, trois portent le dossard Indépendant. Il s'agit de Malala Savaron qui a déposé son dossier le 1er avril à 17h, Jean-Noël Abel ( fonctionnaire au MAE), dossier déposé le 4 avril à 14h30 et Mamy Razafindrazaka, le 5 avril à 9h. Selon ce dernier, il s'est présenté parce qu'il a un devoir envers la nation. Par ailleurs, le PDG de la société de sécurité SPS de confirmer qu'il est toujours prêt à collaborer avec le pouvoir. Le quatrième candidat étant celui du TIM, Rajemison Rakotomaharo dont le dossier a été déposé samedi à 11h30. Présence d'Indépendants également dans d'autres circonscriptions. Dans la Région SAVA, Rakotomamonjy Jean Max est le porte-fanion de Zanak'i SAVA. Un autre Indépendant, Ianona Wilson, est aussi dans la course. Dans la région DIANA, la liste Rassemblement pour le développement de la Région DIANA a également son candidat. Et à Analanjirofo, Jacquis Randriatsalama est le représentant de la liste ITOTAL Faritra. Enfin, dans la Région Anosy, un Indépendant d'obédience Bruno Josvah est aussi candidat
Recueillis par Rémi R / Dominique R.
 
Politique 

1717midi-mg-001999-3183-07042008 Havandra be toy ny totohondry
MANANJARY
Havandra be toy ny totohondry
Tsy teto an-drenivohitra ihany fa saika nanerana an'i Madagasikara mihitsy iny oram-be tamin'ny faran'ny herinandro iny. Zavatra tsy dia fahita firy no nentiny tany amin'ny tanànan'Androrangavola, Mananjary. Narahina havandra be, izay nisy toy ny haben'ny totohondry, iny orana iny. Nanimba zavatra maro izany toy ny voly vary, kafe, soanambo. Potika tanteraka ihany koa ny tanàna, saika ny 90% voakasika avokoa. Goaka ny tafo, rava ny rindrina. Vokany, olona maherin'ny 200 no tsy manan-kialofana amin'izao fotoana izao. Kaominina valo any amin'ny faritra ambanivohitr'i Mananjary no tena nitondra faisana. Toy ny tany Anosimparihy, Kianjavato, Mahavoky Avaratra, Morafeno. Miantso ny Fanjakana foibe ny vahoaka any an-toerana hijery akaiky ny mponina any. Mbola tsy afaka akory ny takaitra navelan'ny rivo-doza roa nifanesy teo dia izao potiky ny havandra izao indray ny voly sy ny tanàna. Nilaza ihany koa ny mponina any an-toerana, indrindra ireo olobe, fa vao sambany izy ireo no nahita toe-javatra toy izao.
HAR


1717midi-mg-002000-3184-07042008 Sarona ny jiolahy mitam-basy 10, toaka gasy 8 000 litatra, tariby an'ny JIRAMA 500m
Toamasina - Asan-jiolahy
Sarona ny jiolahy mitam-basy 10, toaka gasy 8 000 litatra, tariby an'ny JIRAMA 500m
Tsy mitsaha-mitombo ny jiolahy sarona amin'ny opération coup de poing ao Toamasina. Jiolahy miisa folo no voasambotra noho ny fivarotana sy fampiasana fitaovam-piadiana, ny herinandro lasa teo. Basy telo sy bala 30 isa ary fanamiana miaramila 10 no sarona niaraka tamin'izy ireo. Raha zohiana ny fanafihana mitam-basy tato ho ato, tao an-drenivohitra ara-toerakarena, dia misy ifandraisana amin'ireo bala sy basy ireo avokoa. Misy fitarainana efatra rahateo mipetraka eny amin'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Sady mpanafika tranon'olona no mpivarotra fitaovam-piadiana ity andian-jiolahy ity. Ankoatr'izany, sarona ihany koa ny olona 15 voarohirohy amin'ny fivarotana toaka gasy. Amin'izy ireo dia misy ny tompony, ny mpivarotra ary ny mpiray tsikombakomba. Toaka 7500 litatra no sarona, omaly, tany Mangarivotra Toamasina, ary nentina tamina fiara mpitondra fasika. Zerikana mihaty 30 litatra nahatratra hatrany amin'ny 250 isa no nasiana ireo toaka gasy ireo ary nototorana fasika teo amboniny. Ny alakamisy lasa teo anefa dia efa tratra teny amoron-dalana ny zerikana 20 toy ireto ihany. Tafaporitsaka moa ireo tompony ka navelany teny amoron-dalana ny entana. Ankoatr'izany, andian-jiolahy hafa kosa no nenjehin'ny fokonolona ny alin'ny sabotsy teo. Nitondra fils mpitondra herinaratra an'ny JIRAMA izy efa-dahy ireo, tany amin'ny faritra Tsararivotra. Nanao tongotra an-katoka izy ireo ka navelany teo ny tariby mahatratra 500 metatra sy ny gony roa efa feno tapaka tariby. Amin'ny ankapobeny dia nahitana fahombiazana ny  opération coup de poing  ampiharina ao Toamasina.
Jean-Claude STEVE  


1717midi-mg-002001-3185-07042008  Garde du corps  5 lahy naratra mafy
SAMBAINA. Nisy ny naratra teo amin'ny tanany, nisy ny voa tany amin'ny hatony, ny tena voa mafy dia ilay voatsatoky ny loham-basy teo amin'ny lohany.
 Garde du corps  5 lahy naratra mafy
Andro ratsy. Izay no azo ilazana iny andron'ny alakamisy lasa teo iny. Tamin'iny lalam-pirenena faha-7, mampitohy an'Antananario sy Toliary iny dia olona 15 no indray namoy ny ainy, ary am-polony no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy tsy naheno ilay loza mahatsiravina niseho tao Atsimon'Ambohimandroso, namoizana ain'olona maro iny ny rehetra. Tamin'ny 3 ora maraina no niseho ny loza, tao Antsentsindranontaolo, kamiao sy mazda no nifandona. Olona 14 no maty ary 3 naratra mafy. Mbola kamiao sy mazda ihany koa no nifandona tany Mahasoa, Ankaramena, olona roa no maty ary nisy koa ny naratra. Mbola tamin'iny lalana iny ihany koa ity nahavoa azy dimy lahy ity. Asa andro inona loatra iny andro iny?
Aina R.


1718midi-mg-002003-3203-08042008 Ruffine Tsiranana face au Tim
SOFIA
Ruffine Tsiranana face au Tim
   Nous soutenons Josoa Alfred, c'est un candidat d'ouverture, de dialogue et un rassembleur . C'est en ces termes que les députés Jao Jean, Jonah Parfait et Zalifa Bente Salim, se sont exprimés, lors d'un point de presse, qu'ils ont tenu à Tsimbazaza.  Fanjava velona  apportera son soutien au candidat du Tim dans la Région Sofia qui aura en face de lui, l'Indépendante Ruffine Tsiranana. 
D. R
 
Politique 

1738midi-mg-002024-3224-08042008 Lehilahy matin'ny fiara
SAMBAINA
Lehilahy matin'ny fiara
Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nofaohin'ny fiara. Lozam-pifamoivoizana niseho tany Sambaina (RN2), omaly tamin'ny 3 ora tolakandro. Nitaingina bisikileta ity lehilahy ity, nidina ny fidinambe izy ary nifanena tampoka tamina fiara Peugeot 504. Voadona mafy izy tamin'izany ary tsy tana ny ainy. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nandeha tamin'ny ilan'ny lalana tsy tokony handehanany ity mpitaingina bisikileta ity. Tsy nanampo ny hifanena aminy ilay fiara ka dia izao izy voadona izao. Efa mandray an-tanana ny famotorana mikasika izao loza izao ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Fanafihana
Mbola vaovao tamin'iny lalam-pirenena faharoa mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina iny ihany. Nisehoana fanafihan-jiolahy indray omaly vao mangiran-dratsy, teo anelanelan'i Beforona sy Moramanga. Nosakanan'ny jiolahy tamin'ny vatan-kazo ny lalana. Tsikaritr'ilay mpamily izany ka nijanona izy ary niandry ireo fiara mpitatitra hafa. Tsy nisy nahasahy nandeha ny rehetra raha tsy efa mazava ny andro. Nampandrenesina ny zandary ary tonga tany an-toerana, saingy tsy hita ny nanjavonan'ireo mpanakan-dalana.
Aina R.


1739midi-mg-002026-3226-08042008 Sakaosy feno taolam-paty!
Sakaosy feno taolam-paty!
Lire aussi
Sambaina : Lehilahy matin'ny fiara


1745midi-mg-002033-3234-09042008 Vola 1 500 Ar no namonoany ny dadatoany
VONOAN'OLONA. Malaza ho mpanao barofo ary tsy matahotra na iza na iza ity tovolahy iray. Sangy mihoatra ny loha no vitany, namono olona
Vola 1 500 Ar no namonoany ny dadatoany
Vola 1 500 Ar no nananany tany amin'ny dadatoany, rahalahan-drainy. Tsy afaka nanome izany anefa io ka dia novonoiny tamin'ny fomba feno habibiana ity rangahy lehibe 61 taona. Ratra telo no hita teny amin'ny lohany, ary nisy iray hafa teo amin'ny fihirifany. Voalaza fa nototoiny tamin'ny vato ny lohan'ity olona ity.
Efa nigadra ity tovolahy ity, ary vao 18 taona monja. Matahotra azy avokoa ny olona eo amin'ny tanana ipetrahany atao hoe Andranambolava. Indraindray dia alainy fotsiny tsotra izao ny zavatr'olona eny an-tsena eny. Tena mpanao barofo no azo ilazana azy ary tsy misy sahy manakana azy amin'izany. Asa anefa izay niseho tao an-dohany tao, tamin'ny harivan'ny zoma faha-4 aprily, fa nandeha tany amin'ilay dadatoany izy, nitaky ny vola 1 500 Ar. Nilaza anefa io farany io fa tsy afaka manome izany. Tezitra ny anao lahy ka niady izy mianaka. Tena ady totohondry ary avy eo dia nifampitolona mihitsy. Araka ny vaovao dia lavo ambany hatrany i Lebarady, fa izany no anaran'ilay tovolahy. Tsy naharesy ilay lahy antitra izy. Tsy nanaiky mihitsy anefa izy fa notohizana hatrany ny ady. Nony farany, mba lavony ambany ilay dadatoany ary Izay vao niato izy. Noho ny tahotra ity tovolahy ity dia nijery fotsiny ny olona teo an-tanana. Dia nisaraka teo aloha ny ady.
Ny ampitso marain'ny  sabotsy anefa; hitan'ny olona nihohoka teo amin'ny arabe ny fatin'ilay lahy antitra. Ilay zanan-drahalany kosa tsy hita izay nalehany. Tany aminy avy hatrany no nalehan'ny sain'ny mponina. Tamin'ny alina dia fantatra fa nangalatra vary efa masaka tao anaty lovia, kidoro iray ary bisikileta i Labarady. Tsy niandriandry ny fokonolona nanenjika azy. Nizara roa ka nisy ny nianatsimo, ary ireo no nahita azy tany amin'ny tanana iray atao hoe Mahavoky. Olona maro no nifanena taminy teny an-dalana ary ireo no nampilaza haingana tany amin'ilay tanana. Ny sabotsy ihany izy dia nosamborina ary efa natolotra ny zandary.
Araka ny efa voasoratra ery ambony, tsy maintsy ny fokonolona miara-mientana vao afaka nisambotra ity mpanao barofo ity. Raha mandeha irery na vitsivitsy dia tsy  ho sahy mihitsy.
HAR 


1748midi-mg-002037-3238-09042008 Dimy lahy mirongo basy nanafika
AMPANDRANA
Dimy lahy mirongo basy nanafika
Notafihina jiolahy miisa dimy mirongo basy ny tokantrano iray tetsy Ampandrana, ny alin'ny alahady lasa teo, tokony ho tamin'ny 11 ora. Tsy tao ireo tompon-trano ny harivan'ny alahady io fa nandeha namonjy fanasana. Tamin'izany indrindra no nanararaotan'ireo jiolahy saika hamakiana ny trano. Vao teo am-pisokirana ny varavarana indrindra anefa ireo mpanafika no tonga ny tompon-trano. Raha vao nahatazana ny jiron'ny fiara izy ireo dia nirifatra nandositra. Tazan'ny tompon-trano soa aman-tsara ireo jiolahy ary hitany ny iray mitondra basy poleta amin'ny tanany, ary ny sasany mitondra antsilava sy barre à mine. Niezaka nanenjika ireo tompon-trano saingy tsy  ny hita ny nanjavonan'ireo mpanafika. Soa fa tsy nahazo na inona na inona izy ireo tamin'izany. Asa koa na basy tsy tena izy no nentin'ireo jiolahy, satria raha tena hanao izay hataony izy, dia mety ho sahiny ihany ny nitifitra.
Faritra azo lazaina ho isan'ny faritra mena eto an-drenivohitra iny faritr'Ampandrana, Sainte Marie kely, Besarety sy ny manodidina iny, ary saika isan'andro dia ahenoana halatra sy vaky trano hatrany.



1748midi-mg-002038-3239-09042008 Nifampitifitra ny samy jiolahy. Maty ny iray.
Fandrobana.
Nifampitifitra ny samy jiolahy. Maty ny iray.
Maty notifirin'ny namany tsy nahy ny jiolahy iray tamin'ny alin'ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Tonga nanafika ny tranon'ny sefom-pokontany tany Tsiafajavona Ankaratra ny jiolahy miisa enina nitondra basy. Nisaron-tava ry zalahy tamin'io alina io, tokony ho tany amin'ny 11 ora  tany ho any. Mpivarotra ity lehiben'ny fokontany ity. Henony ny nahatongavan'ireo mpandroba. Novahany ny varavaran-kely tany ambony rihina, ary teo izy no nitazana ireo jiolahy.
Noheverin-dry zalahy fa ndeha handositra hitsambikina ny varavaran-kely any ambadika ity tompon-trano ity. Nisampotina tany ny jiolahy iray mba hijery izany. Tsy nandeha anefa ilay mpivarotra fa nijanona tao an-trano ihany. Afaka fotoana fohy, niverina io jiolahy avy nijery  tany ambadiky ny trano io. Raha vao nahatazana azy anefa ireo namany dia nanao tifitra vary raraka. Teny amin'ny lohan'ilay namany no niantefa ny bala maromaro, ary izany no nahafaty azy. Voalaza fa tena potika mihitsy ny lohany. Noheverin'izy ireo ho olon-kafa, toy ny kartie mobily, ilay namany. Rehefa nojerena, hay ny namany ihany. Samy taitra angamba ry zalahy koa dia lasa nandositra toy ny tsy teo. Ilay namany maty kosa navelany teo.
Marihina fa mbola tsy nahazo na inona na inona ireto jiolahy ireto.
Lova 


1781midi-mg-002072-3277-10042008 Kolonely ao amin'ny prezidansa niatrika Fitsarana
AFERA HOSOKA. Fakana vola aman'olona, fisandohana asa ary fanaovana hosoka no niampangana azy telolahy notsaraina omaly.
Kolonely ao amin'ny prezidansa niatrika Fitsarana
Omaly no niatrika Fitsarana ilay kolonely ao amin'ny Prezidansa sy ireo roalahy mpiray tsikombakomba taminy, voarohirohy amin'ny raharaha fakana vola sy fanaovana hosoka.
Toy izao ny fandehan'ny raharaha. Nomen'ilay kolonely karatra avy ao amin'ny Prezidansa, ary misy sonia sy laharan-telefaonina ireo roalahy niara-voampanga taminy ho entina hakana vaovao ho an'ny fiadidiana ny Repoblika. Nampiasain'izy ireo hakana vola aman'olona sy hanaovana fanamparam-pahefana anefa izany karatra izany. Nisy fotoana izy ireo nandeha tao amin'ny garage administratif ary saika haka ny fiaran'ny Minisiteran'ny Tetibola izay voatazona tao. Taorian'izay dia nentin'izy ireo nakana vola 20 tapitrisa ariary tamina orinasa mpandraharaha momba ny hazo sarobidy io karatra io. Nitory ity orinasa ity ary teo no nanomboka ny fanadihadiana rehetra nataon'ny mpitandro filaminana.
Ny tapatapaky ny volana marsa teo no nosamborina izy telolahy ireto, ary notazonina vonjimaika teny Antanimora taorian'ny famotorana.
Fitsarana
Nandritra ny fotoam-pitsarana dia samy nandà ny fiampangana azy izy telolahy. Ny mpiaro ny voampanga aza nahasahy nanizingizina fa tsy nisy ny fakana io vola 20 tapitrisa Ar io. Vola izay efa nisy ampahany 5 tapitrisa Ar naverina tamin'ny tompony, ary nisy taratasy nifanaovana tamin'izany.
Iray tamin'ireo vavolombelona valo nantsoin'ny Fitsarana ny Amiraly, Talen'ny kabinetra ao amin'ny fiadidiana ny Repoblika. Nilaza ity farany fa: izy irery ihany no manana fahefana hanao sonia ny karatra omena ireo mpitsikilo ampiasain'ny Prezidansa ary karatra hosoka ny azy roalahy ireto. Ho an'ny Fampanoavana dia mitombina ny fiampangana azy telolahy ireto.
Amin'ny alarobia heriny no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity.
Aina R.
Fats divers 

1794midi-mg-002086-3293-11042008 Nodarohan'ny mpivarotena
Tsaralalàna
Nodarohan'ny mpivarotena
Tsy dia fahita firy. Mpiambina iray no nodarohan'ny mpivarotena tetsy Tsaralalàna. Omaly hariva no nitrangan'izany. Raha mba niteny tamin'ireo farany ilay lehilahy mba hiala eo amin'ny toerana izay efa raràn'ny fokontany fa tsy azo hijorojoroana, dia nentin-katezerana avy hatrany ireo vehivavy. Tsy vitan'ny fifamaliana am-bava fotsiny fa raikitra hatramin'ny fikasihan-tànana mihitsy aza. Nitory eny amin'ny pôlisy ilay mpiambina manoloana ny zava-nihatra taminy.
D.R 


Ambany maso tsy hita
Rehefa vaovao tahaka izao ny taona dia ny firariantsoa ataon'ny rehetra ny hoe enga anie mba ho lasan'izay ny ratsy rehetra, ary aoka mba hiova tahaka ny taona vaovao ny fomba fisainana . Raha ity toe-tsaina mila miova ity no jerena dia saika natao litania teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka io ny faramparan'ny taona teo. Ny filohan'ny repoblika raha nikabary dia nanipika io tokony hisian'ny fiovana eo amin'ny rehetra io, ary ilaina ny fiarahan'ny rehetra miasa mba ahafahana tena mampandroso ity firenena ity. Raha vao nandray ny fahefana ihany koa ny ben'ny Tanana vaovao eto an-drenivohitra dia ny vahoaka mihitsy no nanao antso amin'ny Malagasy tsy vaky volo ny mba hisian'io fanovana toe-tsaina io raha tiana ny hisian'ny fiovana eto andrenivohitra. Raha ny hita anefa dia toa lasa-ko vavany fotsiny mazana ireny teny afafy etsy sy eroa ireny. Firy taona izay no nisian'io antso avo mba hiraisana hina sy hipetrahan'ny fiovan'ny toe-tsaina io, saingy mbola io hiarahana mahita io ny trangam-piainana hiainan'ny isam-baravarana. Raha vao misy seza tian'ny hafa harovana dia io fiovan'ny fomba fijery io mazana no heno, mba tsy aha-voakitikitika sy aha-mafy orina ilay olona eo amin'ny fanampahana. Nahoana anefa no tsy nampiharina ny fomba fijery tsara fony ilay olona hafa no nitondra teo ? Koa aoka tsy atao ambany maso tsy hita ny teny avoakan'ny vava fa raha nipetraka teo amintsika ny tena fitiavana ny tanindrazana ao anatin'ilay toe-tsaina matotra sy ny fifanantonana tsy misy fiatsaram-belatsihy, tsy toy izao ny misy ity firenena ity.




Akon'ny faran'ny taona
Mbola nisy ny delestazy
Fahoriana ho an'ny mponin'ny Maintirano iny herinanndro faran'ny taona 2007 iny satria nanomboka tamin'ny faha 27 desambra 2007 no tapaka ny jiro, hatramin'izao figadonan'ny taona 2008 izao. Mazava ho azy fa tsy nisy fety nahafapo tany an-toerana raha ny fetin'ny faran'ny taona no asian-dresaka. Tsy maintsy nekena na dia tsy lefitra aza, fa ny vidim-piainana koa no nanampy trotraka. Ny kojakojan'ny fety aloha dia nitobaka teny an-tsena saingy tsy nanintona loatra ny olona noho ny tsy fananana vola. Miakatra ny vidim-bary satria hifandrombahana ny milina fitotoam-bary. Efa nataon'ny mponina ny antso saingy toa samy efa variana amin'ny fanomanany fety avy ireo tompon'andraikitra ka izao tonga amin'ny taona vaovao izao ny fahavoazana.
Tsy dia misy valaka amin'izany ny zava-niseho tao Tanambao Manampotsy. Herinanandro talohan'ny faran'ny taona dia efa nanjaka ny delestazy. Tsy misy nandeha tamin'ny laoniny ny fety satria nanomboka tamin'ny 6 ora hariva hatramin'ny 8 ora na amin'ny 9 ora alina vao miverina.
Eo ihany ny fety tsy nahafapo fa ny tena tsy zakan'ny mponina dia izy ireo tsy afaka nanaraka vaovao nandritra ny herinandro faran'ny taona, hatramin'izao taona vaovao 2008 izao. Fantatra moa fa olana mahazatra no nahazo ny milina mpamatsy jiro any an-toerana dia ny olana ara-teknika.
Antananarivo kosa no nahazo tombony indrindra tamin'ny herin'aratra satria nandritra ny herinandro faran'ny taona 2007 dia tsy nisy ny delestazy. Marobe ny fety nandritra ny alin'ny 31 desambra izay tsy nahenoana olana avy amin'ny herin'aratra loatra, afa-tsy ireo faritra sasany izay nahatapahan'ny jiro vetivety noho ny andro fahavaratra.
Ankoatry ny alim-pandihizana tamin'ireo trano fanaovana lanonana maro be teto an-drenivohitra sy ny manodidina moa dia saika nisokatra nanatanteraha « réveillon masina » ny ankamaroan'ny fiangonana teto an-drenivohitra. Omaly voalohan'ny taona 2008 no somary nangingina fa toa naka aina avokoa ny mpilanonana, afa-tsy ny mpanao gazety izay tsy nitsahatra niasa nandritra ny fety manontolo.




Raha namoy tamin'ny 19 Desambra 2007 ny malalanay
izahay,
dia maro tokoa ianareo no tonga nidodododo nampionona, nanotrona, nankahery, ary nitondra am-bavaka anay zanaka aman-jafiny, ny mpiray tampo aminy ary ny fianakaviana manontolo.
Mamerina ny fisaorana sy fankatelemana izahay rehetra, ho anareo havana sy namana ary tapaka, ny mpiray monina sy Fiangonana Loterana Malagasy ao Belo/Tsiribihina ary Morondava, ny fokontany Cité Ampefiloha. Andriamanitra anie hamaly fitia anareo tsirairay avy.
Miala tsiny indrindra ho an'ireo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Miova loko...
Hatramin'ny niovan'ny fitondrana eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra farany teo dia tsikaritra fa miova loko ny tanànan'Antananarivo. Miha takona ilay lokon'ny Kaominina mavo sy manga hatramin'izay, eny hatramin'ny nitantanan'ny olon'ny AKFM KDRSM ny tanàna. Tsy nisy naharatsy an'io loko io izay nokojakojain'ny ben'ny tanàna sy PDS nifandimby.
Nampakatra avo ireo lokon'ny kaominina ireo aza ny nipetrahany amin'ny vola malagasy ambony indrindra. Ankehitriny dia toa hikoro ireto loko ka hiofo ho volomboasary « orange » sy manga toa volomparasy, loko nanambina ny ben'ny tanàna ka nahatafita azy teo amin'ny fifidianana. Tsy foiny tokoa ireo loko izay manomboka voizina ampiarahana amin'ny sary famantaran'ny kaominina Antananarivo renivohitra.
Raha atao hoe hitombina izany ny vinavinan'ny maro amin'izao firotsahan'ny ben'ny tanàna amin'ny sehatra politika izao dia heverina ho toy ny seho tamin'ny andron-dRavalomanana fony izy nirotsaka ho ben'ny tanàna. Nanomboka teo amin'io loko io ny songadina, ary niafara tamin'ny « bizina » mihitsy aza raha tsy hiresaka afa-tsy ny loko « beige crème », ny fandokoana ny fivarotana sy ny tsena, fampitoviana ny lokon'ny taxi-be, sns... Dia ho toy izany koa ve ny an'ity olom-baovao ity ? Tsy maintsy holokoina avokoa mantsy ny fotodrafitrasa raha izay no ho fandehany. Ny maha loko politika azy aloha tsy ho azo ferana fa ny mety hiseho dia hisy sarina TGV miloko manga sy volomboasary koa ny vola Ar 15 000 sy Ar 20 000 tokana any aoriana any.




Fanondrotana karama
Maivana ny 10% hoy i Mailhol
Tsy mifanentana amin'ny fiakatry ny vidim-piainana ny tolotra 10% nataon'ny filoha Ravalomanana ho fampiakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana amin'ity taona 2008 ity. Inona no vitan'io raha mitaha amin'ny sondro-bidy hiainan'ny Malagasy ankehitriny ? Nitodika tamin'ny fiainan'ny Malagasy tamin'ny taona 2002 ny Pasitera Mailhol, izay nanambara fa potika ny toe-karena teo, kanefa mbola nahazo hatrany amin'ny 12% io fisondrotry ny karama io. Tafakatra 6,5% ny tahan'ny harin-karena araky ny nambaran'ny fitondrana, ary manana vola vahiny betsaka izay ambim-bava ao amin'ny banky foibe kanefa nahoana no io vola kely io monja no nanondrotana ny karaman'ny mpiasa ? Teo amin'ny resaka politika kosa dia nalahelo ity pasitera ity, ny tsy nanisian'ny filoha resaka nandritra ny kabary izay nataony. Mihevitra ve ny filoha hoy izy fa milamina ny tontolo politika eto ? Aoka ahatsapa isika fa matoa nanao ireny fanovana ireny ny vahoaka teto an-drenivohitra dia misy hafatra tiany hampitaina ao. Isan'ny nanehoany hevitra ny tokony hanovana ny lalàm-pifidianana, ny fanaovana bileta tokana, ary ny fanomezana ny fifidianana ho tantanin'ny tsy miankina ka ny fanjakana no mpanara-maso amin'io. Raha atao indray mibango ny fanazavan'i Pasitera, dia mbola miaina ao anatin'ny fahasahiranana ny vahoaka, ka raha nilaza ny mpitondra fa miroso amin'ny fihatsarana ny fiainan'ny Malagasy, dia ny mifanohitra amin'izany no hita ka mila mandinika ny gasy tsy vaky volo.




Holafitry ny mpanao gazety
Hilatsaka ny AJRP
Miandry izay daty hanaovana ny fifidianana ny mpanao gazety rehetra, izay eo ampamolavolana izany ireo komity manokana hisahana ity asa ity. Efa misy ireo anarana heverina hilatsaka ho amin'ny toeran'izany filohan'ny holafitra izany, dia eo ny filoha amperin'asa Ruffin Rakotomaharo, ingahy James Ramaroson, ary Soava Andriamarotafika filohan'ny AJRP. Ireo aloha hatreto no be mpilaza saingy miankina amin'ny faharisihan'ny tsirairay ihany io. Ny mpikambana maro ao anatin'ny AJRP na ny fikambanan'ny mpanao gazety amin'ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara, dia vonona ny hanohana hatramin'ny farany an'i Soava, nefa ho hita eo ihany ny momba io, satria hanao ny fivoriambe tsy ho ela izany AJRP izany.




Analakely : Sary pika
Tsy dia nandeha ny tsena
Ireo mpaka sary sisa no mamita ny asa tsy vitany tamin'ny fetin'ny krismasy sy faran 'ny taona iny ka nahazoan'izy ireo alàlana hijanonany eo amin'ny araben'ny Fahaleovantena Analakely sy eny anoloan'ny gara Soarano. Amin'ny ankapobeny dia miandry ireo olona naka sary izay mbola tsy naka ny sariny ireto mpaka sary ireto izay manodidina ny 300 eo no isany.
Eo ihany koa ireo mbola miala sasatra ka tsy afapo loatra tamin'ny fakana sary fahatsiarovana, no mbola mankeny Analakely manatanteraka izany. Ar 1000 no vidin'ny sary iray mirefy ( 10 x 15) ka ora vitsy dia vita ny sary, saingy ny mpanjifa no lavim-ponenana ka tsy afaka miandry.
Hatramin'ny nanombohan'ny fety dia tsy nahenoana olana loatra ireto mpaka sary ireto ary mahavita tsara ny sary ilain'ny mpanjifa. Tamin'ny taon-dasa mantsy dia betsaka ny mpanjifa velon-taraina noho ny nafitsoky ny mpaka sary sasany. Alain'izy ireny ny volan'olona dia tsy hita izy. Hentitra ny fanaraha-maso tamin'ity ka niray hina ireo mpaka sary nijery akaiky ny mpisompatra.
Tsy dia tsara anefa ny tsena satria saika efa manana irony fakan-tsary « numérique » sy finday misy fakantsary irony ny ankamaroan'ny olona, hany ka saika ny sarangan'olona tsy dia manana no nirona tamin'ny fividianana sary. Aorian'ny fialan'ireo mpaka sary eo Analakely dia samy hamonjy ny toerany andavanandro izy ireo toy ny etsy Ambohijatovo, Analakely eo amin'ny tsangambato Ralaimongo sy eo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Misy koa no miasa eny amin'ny zaridainan'Ankorondrano sy eo amin'ny tetezana ambonin'ny arabe etsy Anosibe.




Ny fianakaviana manontolo,
dia maneho etoana ny fankasitrahana tanteraka ireo niaraka ory sy nitondra ny mavesatra ary nankahery tamin'ny nandaozana ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hamaly fitia ho anareo. Miala tsiny indrindra aminareo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Boriborin-tany faha-4
Fantaro i Mandrangobato II
Raha atao indray mijery dia tanàna fonenan'ny mpila ravinahitra ny fokontany Mandrangobato II ary mpanofa avokoa ny ankamaroany. Maro ireo trano manana endrika tsara any anatin'ny tanàna izay manana hofany antonony, eo amin'ny Ar 20000 hatramin'ny Ar 70000 isam-bolana. Tao anatin'ny taona, vitsy dia nampiova tanteraka ny fiainan'ny mponina teny ny fisian'ny làlana vaovao « Boulevard de l'Europe », avy eo Anosibe mivoaka any Soanierana, mamakivaky ny làlana Namontana. Honahona sy fotaka no niainan'ny mponina teny taloha ary anisan'ny toerana dibo-drano voalohany rehefa avy ny orana. Teny amin'ny arabe ny olona no nanasa tongotra rehefa hamonjy toeram-piasana sy sekoly. Ankehitriny dia tonga tanànan'ny fifanakalozana satria niorina vetivety ireo karazana fivarotana manamorona iny làlam-baovao iny ka ny fokontany Mandrangobato dia efa rakotra an'izany.
Tsy te ho matihanina
Ny tsikaritra anefa dia mbola tsy ara-dalàna ny ankamaroan'ny fivarotana. Namoaka didy ny kaominina ka tsy azo atao ny manorina trano hazo amoron-dàlana. Nandrava ny tranony ireo nanana izany teo aloha ka nosoloina trano biriky, saingy ny manoloana ny arabe ihany no natao biriky fa ny ambiny dia trano hazo.
Raha vao miala ny arabe indray dia miditra elakelantrano ary saika iva toerana avokoa izay lalovana ka tsy ilaozan'ny rano mihandrona. Vetivety dia feno ny lakan-drano izay tsentsin'ny fako miangona eo amoron'ny arabe.
Mandrangobato Anosibe
Raha faritana kosa ny toerana misy ny fokontany Mandrangobato II dia avaratry ny fokontany Angarangarana Anosibe, andrefan'ny fokontany Namontana ary atsimon'ny fokontany Mandrangobato I. Na izany aza ny zava-misy hoy ireo mponina sasany dia toa nofinofy ihany ity fiovan'ny tanàna fonenany ity. Toy ny tsy misy amin'ireo mponina sasany izany fiakaran'ny rano izany na dia mbola fefika an'izany aza ny faritra sasany. Niova hatramin'ny asa fivelomana satria saika fiafenan'ny olon-dratsy ity faritra ity taloha. Ankehitriny dia manana anton'asa amin'ny alàlan'ny fivarotana ireo mponina. Ny hany olana sedrain'ity faritra ity dia ny jiro sy rano. Ho an'ny eny an-dalambe dia zara raha misy andrin-jiro mirehitra ary ny paompin-drano dia ilaharana avokoa. Ho an'ny herin'aratra any an-tokantrano kosa dia tsy maharaka ny filan'ny mponina ka na tsy tapaka tanteraka aza dia tsy mahazaka ny fitaovana ilàna azy. Tsikaritra ihany koa fa maro ireo fiara efa simba taloha no nahariharin'ity fisokafan'ny làlam-baovao ity ka saika mbola haingon'ny sisin-dalana eny ny ankamaroany amin'izao fotoana izao.
Trindrio ny sary voalohany raha hijery ny « diapo » ianao.




Ampefy : voka-pifidianana nifamadika
Nofantsihan'ny fokonolona ny varavaran'ny kaominina
Nofantsihan'ny fokonolona ny varavaran'ny kaominina Ampefy nandritra ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ireo ben'ny tanàna vaovao ao anatin'ny faritra Itasy omaly alakamisy. Tao amin'ny distrikan'i Soavinandriana no ametrahana ireo ben'ny tanàna ireo, ka tamin'ny fandalovan'ny delegasiona tao Ampefy dia nanao fihetsiketsehana ny mponina izay tsy nanaiky ny nametrahana ny ben'ny tanàna avy amin'ny antoko tim. « Tsy hanaiky izahay fokonolona na hisy ra mandriaka aza ». Nambaran'ireo fokonolona fa Rakotoarimanana Patrick Olivier, kandida avy amin'ny fikambanana « Ezaka Ampefy » no nahazo salan'isa 51,56% tamin'ny vokatra tsy ofisialy saingy ny vokatra ofisialy navoakan'ny fitsarana dia Randrianarilahy Fidiarivony kandida natolotry ny TIM no nahazo ny salan'isa 59,65%. Ben'ny tanàna teo aloha io hoy ny fokonolona izay tsy nahavita na inona na inona. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nofoanan'ny fitsarana ny biraom-pifidianana miisa 3, na dia nanamarika aza ny mponina fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana, ary mbola nohamafisin'ny lehiben'ny distrikan'i Soavinandriana fa biraom-pifidianana iray no nisian'ny herisetra. Nanontanian'ny mpanao gazety moa ny minisitra lefitry ny Fahasalamana izay mpiahy ny faritra Itasy nefa nilaza fa tsy nahita fihetsiketsehana tao Ampefy, tanàna nolalovany. Manoloana izany dia nitombo ny fampitandremana nataon'ny fokonolona ka nambaran'izy ireo fa na tsy hosokafana ny biraon'ny kaominina na averina amin'ny laoniny ny vokam-pifidianana izay nanana taha ambony tokoa,hatrany amin'ny 64,85%. Efa nanambara kosa ity ben'ny tanana natolotry ny TIM fa hametram-pialana ka hanolotra ny toerana ho an'ny « Ezaka Ampefy ». Tsapany mantsy fa tsy hisy fampandrosoana vanona eo satria manana mpanolon-tsaina miisa 4 izy, raha 3 ny an'ny TIM. Miandry ny valin'ny fitarainana ny mponina vao hisy fampandrosoana ao amin'ny tanàna.




Ivato - Firaisana
Manomboka ny fandroahana mpiasa
Tao anatin'ny fotoana fohy monja nandraisan'ny ben'ny tanàna vaovao ny fitantanana ny kaominina eny Ivato-Firaisana, dia efa manomboka sahady ny fandroahana ireo mpiasa ao amin'ity kaominina ity. Araky ny fanapahana lah 001/08/KA/IV-FIR/M izay navoakan'ny teo anivon'ity kaominina ity, dia manapaka fa atsahatra tsy hanohy ny asany intsony ireo polisy kaominaly manerana ny kaominina Ambanivohitra Ivato-Firaisana. Ankoatra io dia voalaza fa voaroaka ihany koa ireo sekretera dimy eny anivon'ny fokontany, izany hoe mahatratra 26 ireo mpiasa voaroaka, raha 54 ny tena isan'ny mpiasa ao. Tsara ny manamarika fa mpiasa efa niasa 10 taona mahery ireto voaroaka ireto ka zary mizaka ny zioga politika tsy fidiny ireo madinika. Fanomezana hafa kely izany no azon'ireo mpiasa ireo tamin'ity taona vaovao ity, satria ny mpiray monina mihitsy no mandroaka ny tena raha vao nandray fahefana.




Misy ny vola
Anio ny hanao ny fifampiarahabana tratry ny asaramanitra ny filohan'ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy. Fihaonana izay fanao isan-taona, ary mbola hanomezana toro-marika ihany koa ireo ben'ny tanàna 1 547 manerana ny nosy. Raha ity farany no asian-teny dia hita fa tsara ny marimaritra iraisana eny anivon'ny kaominina mba hifandanjan'ny hery, tsy eo amin'ny resaka politika io, fa eo amin'ny fitsinjarana ny fanampiana sy ezaka isan'ambaratongany. Ny fanjakana rahateo efa nilaza fa vonona hiara-miasa aminizay ben'ny tanàna lany eo. Ny tiana hampitaina dia ny hoe manam-bola tokoa ny firenena malagasy raha mahita ireo ben'ny tanàna voalaza etsy ambony ireo hiakatra eto an-drenivohitra. Samia manao kajikajy isika rehetra ny saran-dàlana sy ny sakafo lanin'izy ireo, indrindra fa ny tambiny kely omena azy ireo. Manao ahoana ny kitampom-bolam-panjakana amin'izany ? Ny karaman'ny mpiasa anefa zara raha mahatratra ny 10% ny fanondrotana. Fa angaha tsy azo hampitaina amin'ny haino aman-jery izay toro-marika izay, izay efa manenika an'i Madagasikara ny RNM, TVM ary ny MBS sy ny hafa ? Nanao fiofanana toy izao ny filohan'ny fokontany sy ny hafa, saingy nisy fiantraikany haingana ve ireny, ary raha ny tsapa aza toa niandany amin'ny kandida iray raha ny zava-misy no jerena ? Ny tsapa aloha dia misy tokoa ny vola fa ny fotoana handaniana azy no manahirana.




Région Analamanga
2007, année des réalisations
L'année 2007 a été surtout marquée par le plus grand nombre de réalisation en matière d'infrastructures pour la région Analamanga, les entretiens routiers en constituent la majorité . La collaboration entre l'ancienne province d'Antananarivo et la Région d'Analamanga et de leurs communes a permis l'entretien ainsi que la réhabilitation des routes de 71,500 km de la région avec un financement de 1 943 900 000 Ar.
Pour sa part, la Région Analamanga a réhabilité 10,200km s'estimant à 444 358 000 Ar, était à la charge uniquement de la région d'Analamanga, mise à part la reconstruction de ponts s'élevant à 217 500 000 Ar. Avec l'appui des Fonds d'Entretien Routier (FER), le ministère des Travaux Publics, 651 km de routes ont été renovées avec un budget de 8 031 200 000 Ar.
Le côté social a été également au coeur de la préoccupation de la région, avec le problème d'insuffisance d'eau potable qui sévit dans de nombreuses villes . En 2007, 8 communes avec 4523 habitants ont bénéficié du système d'adduction en eau potable, un projet qui a nécessité un financement de 625 000 000 Ar. Concernant le système éducatif à Madagascar, il reste encore précaire, et la Région Analamanga pour y remédier a construit 52 salles de classe pour les CEG et lycées, ces établissements scolaires ont été également dotés de 1793 bancs et des tables. Les centres de santé n'ont pas été en reste : deux CSB ont également eu leur part de réhabilitation. Quant à la collaboration entre la région Analamanga et l'ONN, elle a permis la mise en place d'un barrage d'irrigation pour les cultures et les piscicultures afin d'atteindre l'objectif d'une révolution verte. Des réalisations qui ont nécessité 86 000 000 Ar.




Cérémonie de voeux à Iavoloha en photos
Démarrer le diaporama en cliquant sur la première image.




Kabary mahakivy
Dia re tao anatin'ny kabarin'ny filoham-pirenena omaly teny Iavoloha indray ny fanazavana fa ny 75% ny Malagasy dia miaina ao anatin'ny fahantrana, ary mazana ireo tantsaha maro an'isa no voa amin'io. Mila hatsaraina ny toe-tsaina, fa raha tsy miova io dia tsy misy fampandrosoana ho vanona. Tanora 65% no afaka hiasa eto hoy ny filoha omaly . Maro an'isa ireo tanora ireo, ka izay no tsy maintsy ilàna fiheverana haingana mba tsy hidonanam-poana fa hamokatra ho an'ny tanindrazana. Niompana betsaka amin'ny fanampiana ny tontolo ambanivohitra iny kabary omaly iny, ary teo vao tsapa fa kabary mahakivy no heno, raha mitanisa hatrany ny fahoriana mahazo ny mpiray tanindrazana ka ilàna fanarenana haingana, mba ho foana io fahantrana io. Firy taona izay ny mpitondra nifandimby teto no nilaza tarehi-marika manambara fa 75% dia miaina ao anatin'ny fahasahiranana foana ? Samy nanambara koa anefa fa miakatra hatrany amin'ny 6,5% ny harin-karena faobe ireo mpitondra ireo, nefa mbola tafajanona eo amin'ny isa voalaza etsy ambony hatrany ny isan'ny olona sahirana eto amintsika. Soa aloha fa mahavelom-bolo hatrany ny mandre ireo ezaka napetraky ny mpitondra hampihenana ny fahantrana, indrindra fa manomboka ity taona 2008 ity. Hanana risim-po hiara-mientana amin'ny ady amin'ny fahantrana ve anefa ny vahoaka ? Mazana dia tanteraka ilay teny hoe miasa tsara, dia miasa mafy, saingy toa 10% monja no valin-kasasarana nitombo amin'izay asa mafy izay. Ny famokarana no loha-laharana amin'ny ady amin'ny fahantrana, koa omeo hery ireo tantsaha maro an'isa mba tsy ho sodokan'ny rendrarendra tahaka ny mponina a-ndrenivohitra, fa raha ireo no mitsoaka amin'ny fambolena sy fiompiana, dia inona intsony ny amintsika. Naivo kely




Midongy seza
Tsy manana hevitra hijanona ela ny filoha
Fampitomboana ny harin-karena, fanamafisana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny fampihenana ny fahantrana. Ireo loha-hevitra telo ireo no niompanan'ny kabarin'ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly raha niarahaba ny vahoaka malagasy tratry ny taona ny tenany. Hajoro ny banky BMCD iarahana amin'ny vahiny ny fananganana izany, ary hamatsy vola ny tantsaha malagasy io. Omena sehatra ihany koa anefa ny mpandraharaha malagasy amin'ny famokarana eto, fa tsy avela hipitrapitra lava izao. Hamboarina ny lakandranon'i Pangalanes, ary toy izany ny tora-pasika any Sainte Marie. Hanafatra Osy 3500 avy any Australia ny fanjakana izay efa an-dalana amin'izao fotoana izao mba hanatsarana ny vokatra momba ny tapis sy ny ronono ary hanatsara ity fiompiana ity. Hatsaraina ny masomboly ho an'ny tantsaha, ary toy izany koa ny lakan-drano ary ny zezika. Nomena baiko hiara-miasa amin'ny vahoaka ny ben'ny tanàna, ary hanampy ny fanjakana izay tsy hanavahana io. Hisy fifaninanana hatao, ka amin'ny 10 novambra izao no hijerena izay kaominina nahavita be teo amin'ny asa fampandrosoana. Nanambara ny filoha fa tsy manana hevitra hijanona ela amin'ny toerana izany izy, ary aza midongy seza ianareo. Hafatra nampitainy omaly io izay nanamafisany fa tsy maintsy foanana ny fahantrana. Ireo raha fehezina ny laha-teny natao teny an-dapa omaly, izay tsara ny nanamarika fa tsy nisy niteny tamin'ny fiteny vahiny izay nandray fitenenana, fa avy hatrany dia tamin'ny tenin-drazantsika avokoa.




Tsaingoka
Nifanotofana i Pasitera Richard A.
Nandritra ny kabarin'ny filoha Ravalomanana omaly no nisy naneho ny hafaliany nahita ny Pasitera Andriamanjato nanatrika ny lanonana teny an-toerana. Rehefa vita ny kabary nifandimbiasana dia nilahatra niarahaba an'i Pasitera izay hambara ho mpanohitra ny filohan'andrim-panjakana misy teto, ary dia nalaza tampoka tao amin'ny lapa i Pasitera Andriamanjato Richard. Raha tsy niteny iny ve ny filoha Ravalomanana moa niarahaba azy ireto olom-panjakana ireto ? Ny tsapa aloha, dia hay afaka mifanoroka ihany ny samy malagasy na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery e ?
Misimisia ny toy izany, fa tsy sanatria hifandramatra lava eto isika mianakavy.




Hazo fijaliana
Vao manomboka ny taona dia efa zava-doza no miandry ny mponina eto an-drenivohitra amin'ny fanampahan-kevitra noraisin'ny Jirama nanapaka ny rano sy ny jiro amin'ireo toeram-panjakana rehetra tsy nahefa izany, ka isan'io ny paompim-panjakana sy ny sekolim-panjakana eto amin'ny tanàna. Tsy hitanisa ny taona sy ny volana voalaza fa nandoavana izany vola izany izahay fa ny voalaza dia efa nandefa taratasy fampilazana mialoha ny Jirama ho fitakiana io vola io. Ho an'ny mpandinika dia hizaka ny hazo fijaliana ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina manomboka eto, satria ankoatra ny trosa be miavosa izay lovaina mahatratra 40 miliara, dia io hiarahana mahita io indray ny hafitsoky ny Jirama. Mijaly ny mponina satria ny faritra iva izay mba manana lava-drano, dia tsy afaka misotro io noho ny fiakaran'ny ranon'orana ka nifangaro ny rano maloto sy ny madio. Ny trano fianarana dia mety hiteraka aretina ny tsy fandehanan'ny rano any amin'ny « wc » ka ireo zaza madinika any amin'ny EPP indray no ho voa amin'io. Ny fampandrosoana no tetika ho atao, saingy toa hoditra akondro ho an'ingahy ben'ny tanàna ny tahaka izao ? Hiverina ihany koa ve raha toy izao ny fakana vola amin'ny paompim-panjakana rehefa tsy voalohan'ny kaominina ny volan'ny Jirama ? Ho an'ny mpandinika dia toa fihatsiana korotana atao amin'ny vahoaka eto -an-drenivohitra ny fingana lava miseho eto, koa aoka mba samy hitandrina isika mba tsy hiverenan'ny trangan-javatra toy ny taloha intsony, ary mino isika fa manana ny tetik'adiny ity Ben'ny tanàna vaovao ity, ka tsy ho solafaka an-dàlana fa ahay hiray hina ny rehetra hanampy azy, mba tsy aha-potika izany renivohitra izany.




Tanànan'Antananarivo : Fiparitahan'ny fako
Mitaky vahaolana haingana
Efa voatatitra an-gazety matetitetika ihany ny akon'ny nanapahan'ny orinasa Jirama ny jiro sy rano eny amin'ny faritra sasany eto Antananarivo renivohitra, saingy toa tsy misy fanantenana ihany raha ny firesaky ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina raha nivahiny tao amin'ny fahitalavitra TV Plus ny tenany ny faran'ny herinandro teo. Nitanisa ny trosan'ny kaominina ny tenany ary naneho fa misy ny sakatsakana amin'ny hanatanterahany ny asany. Hatreto aloha dia nambarany fa tsy misy ny vola handoavana ireo trosan'ny Jirama.
Herinandro eo ho eo izay no nandraisan'ny ben'ny tanàna vaovao ny toerana ka nisy sahady ny azo nambara dia ny nampatsiahivany fa sarotra ny manatanteraka ny asa satria tsy misy ny vola. Tsy nanda ny fitobian'ny fako ny ben'ny tanàna ary efa nisy ny malala-tanana nanome solika 5000 litatra, nampiasana ireo fiarabe 12 avy amin'ny fitondrana foibe. Efa lany koa io ka izay no mahatonga ny fako somary nitoby indray. Dabam-pako miisa 8 isaky ny 12 ora no voaroakan'ireo kamiao ireo ka ny ampahan'ny dabam-pako miisa 465 eto an-drenivohitra ihany no voasahana isan'andro. Nanambara ihany moa ny ben'ny tanàna fa tokony hifampiresaka aminy ny eo anivon'ny Jirama.
Dia ho kilalaon'ny mpanao politika indray ve ny tanànan'Antananarivo ka ny vahoaka no mizaka ny vokany ? Dia ho dinganina koa izany ny baikon'ny filoham-pirenena amin'ny hanapahana ny jiro sy ranon'izay tsy nahaloa ? Ho zaza maloto indray no eny amin'ny sekolim-panjakana maro eto an-drenivohitra manomboka anio. Tsy hisy na ny hanadiovana solaitrabe aza, ka tsy maintsy hiantoka rano ho an'ny sekoly ny mpianatra.
Aorian'ny fihaonan'ny ben'ny tanàna sy ny eo anivon'ny Jirama anio izany vao ho fantatra ny vahaolana amin'ity olan'nytanànan'Antananarivo ity.




Omby vavy be ronono
Tsy nahitana tombony, dia ho avy indray ny osy
Mifantoka any amin'ilay fanafarana osy 3 500 avy atsy Australia indray ny sain'ny mpitazana, izay hanome taranaka tsara ny osy izay efa misy eto, ary koa ny volony atao tapis sy ny ronono azo avy aminy. Tsy maha-taitra ny maro io osy io, satria niarahan'ny rehetra nahita ny fanafarana ireo omby vavy be ronono taona maro lasa izay, ka nambara fa hitondra tombony ho antsika io na lafiny ronono na ihany koa ny henany sy ny taranany. Tsy mbola nandre ny maro fa nigoka tombony be tamin'io ireo niompy izany omby vavy be ronono izany. Ny ronono sy ny fromazy aza no niakatra indray ny vidiny raha nantenaina fa hidina, satria mitobaka ny ronono. Ny vola vahiny koa dia mivoaka rehefa manafatra entana tahaka izao, ka iza no tena higoka ny tombony amin'io osy maro be nafarana avy any ivelany io ? Ny fanontaniana ihany koa dia ny mety ho vidin'ireo osy ireo, ary volan'iza no nanafarana azy ?
Manantena isika fa hisy fanazavana mikasika io ho entin'ny eo anivon'ny ministeran'ny Fambolena ary ny Fiompiana mba tsy aha-tompon-trano mihono ny vahoaka, ary hambara ny tombony azon'ny fanjakana Malagasy tamin'ny fanafarana ireny omby vavy be ronono ireny. Soa aloha fa mora velomina ny osy fa tsy tahaky ny omby vavy be ronono ny vidin'ny sakafo ho haniny izay tena midangana be tokoa, ka mba ahita rirany amin'io ny piompy izay ahazo azy.




Lalàm-pifidianana
Ho lasa lavenona ?
Tsy manisy resaka ny momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara intsony ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ka ny eo amin'ny fanoherana sisa no mbola manao litania io. Lalàna iray ahafahana mampanjaka ny demokrasia eto Madagasikara anefa io fanovana io, ary na ingahy Rakotovazaha Olivier, SG ao amin'ny antoko MFM, aza tao amin'ny fahita lavitra tsy miankina iray ny faran'ny herinandro teo, dia nanambara fa efa tamin'ny taona 2000 ny antoko politika maro no nitaky io, ary maro amin'ireo mpitondra ankehitriny ireo no nanao sonia izany. Ho lasa lavenona tsy fidiny izany ireny tolo-dalàna naroson'ny FFKM sy ny antoko politika ireny, satria raha hivory ny parlemanta ny volana mey izao, dia toa tsy hisy fandinihana izany ao, hoy ny mpitazana. Ka iza sisa no hihevitra fa hikitika ny hampiharana io ? Ny sosiete sivily efa nanambatra ny heriny farany teo, saingy hisy handre ve ny akon'ny hetsika nataony ? Ho hita eo ny hiafarany.




Fanomezana hafahafa
Vao manomboka ny taona, dia nahazo fanomezana hafahafa ny vahoaka Malagasy. Tsy inona io fanomezana io, fa ny fiakaran'ny vidin'ny solika eto amintsika. Ekena fa mizaka io avokoa ny firenena maro eran-tany noho ny fiakaran'ny barila ho 100 dolara, kanefa inona kosa no mba aro-riaka hapetraka ho an'ny isan-tokantrano ? Ny vidim-piainana dia tsy maintsy mbola hitombo aorian'izao fiakarana izao, kanefa azo atao tsara ny misoroka fanararaotana maro isan-karazany izay miainga amintsika mianakavy ihany. Eo no ilaina ilay fanovana ny toe-tsaina tia kely izay efa miorim-paka eo amin'ny Gasy, ka raha voasoroka io, dia mety ho eo amin'ny 1% ny sondro-bidy hisy. Ny vahoaka madinika moa efa zatra ny miafy, fa mba manao ahoana kosa ny hafa ?




Fanafihana tany Iakora
Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato
Dahalo dimy maty voatifitra, basim-borona telo sy bala enina no tratra : izay no vokatry ny fifandonana teo amin'ny dahalo sy ny miaramila avy ao amin'ny DAS (Détachement autonome de sécurité) tany amin'ny tanànan'Ambondro-Ivory, kominina Analavoka, distrikan'Iakora, faritra Ihorombe, ny zoma lasa teo, tamin'ny 3 ora tolakandro tany ho any.
Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, dia tamin'ny alin'ny alakamisy 3 janoary, tamin'ny 12 ora tany ho any no nanafika tao amin'ny valan'omby tao Besoa, kaominina Analavoka ireo dahalo valo lahy nitondra fiadiana sy moara. Teo am-pamakiana valan'omby ry zalahy no nisy nahatsikaritra. Mafy dia mafy moa ny fototr'ilay valan'omby ka tsy vakin'ireo dahalo. Nisy miaramila DAS tsy lavitra ilay tanàna, saingy tsy nahasakana ireo dahalo izany. Notapenan'izy ireo ny varavaran'ny miaramila. Mbola tsy nahazo na inona na inona moa izy ireo. Nifanenjehan'ny miaramila sy ny fokonolona niala tany Besoa ry zalahy ary tany amin'ny vohitra iray antsoina hoe Ambondro-Ivary no tratran'ireo mpanara-dia. Nasaina nijanona moa ry zalahy, araka ny nambaran'ny komandàn'ny Jenia Miaramila, ny kapiteny Michael Randrianirina any Ihosy, saingy mbola ninia nandositra ihany. Voatery nitifitra ny miaramila. Tany anaty lava-bato moa ry zalahy no nisitrika. Dimy tamin'ireo dahalo no lavon'ny bala, iray azo sambo-belona ary roa tafatsoaka. Nanomboka tamin'ny 11 ora maraina ka hatramin'ny 3 ora antoandro moa ny fanenjehana ireo dahalo.
Voalaza fa efa dahalo nikoizan'ny maro hatramin'ny ela ireto dahalo maty voatifitra ireto.




Fahatapahan-drano teto an-drenivohitra
Nisavoritaka ny mponina
Resa-be eto an-drenivohitra ny fanapahana jiro sy rano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra ka niteraka sahotaka omaly vao maraim-be teo amin'ireo tokantrano maromaro mpampiasa ny paompy an-dàlam-be.
Nifandom-baravarana nifampilaza amin'ny tokony hanangonana rano fisotro satria ho tapaka hono ny rano sy jiro. Nifanaretsaka ireo mpikarama mantsaka nitandahatra tamin'ny paompy, voatery nantsaka aloha ny ankizy vao namonjy sekoly. Hatramin'ny omaly hariva anefa dia toa mbola nandeha ihany ny rano, raha ny eny amin'ny faritra Anosibe iny, izay nisehoan'ny tantara. Vetivety teo dia renim-pianakaviana maromaro indray no nimenomenona teo amin'ny arabe fa tsy nahita saribao ho vidiana. Inona ary ity ? hoy ny sasany.
Asa aloha na tsaho niniana naely izy ity na fihetseham-pon'ny taitaitra fotsiny fa dia niteraka sahotaka madinidinika teo amin'ny fiaraha-monina. Ao ny tsy mahara-baovao, nefa ao koa ny maharaka fa tsy mahazo resaka. Efa vinavinan'ny maro ihany ny tranga amin'izao fotoana izao. Raha i TGV no lany eo dia toy izao sy toy izao no zavatra hiseho... Tsy maintsy ho sahirana izy aloha sns...Ka io tokoa fa manomboka miseho ny vinavina, nefa inoana fa efa nivonona ny amin'izany ny ben'ny tanàna. Efa nanazava ny olana moa ny ben'ny tanàna saingy andrasan'ny vahoaka kosa izay vahaolana hialana amin'ity fitaintainana isan'andro ity.




Kaominina sy ny Jirama
Hita ny marimaritra iraisana
Tsy misy tsy vitan'ny fifanatonana tokoa ny zava-drehetra, ary porofon'izany ny naha-voavaha ny olana teo amin'ny Jirama sy ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Naverin'i Jirama amin'ny laoniny ny rano teny amin'ny paompy sy teny anivon'ny sekolim-panjakana izay notapahiny, ary ireo andrin-jiro manazava ny làlana rehetra ihany koa dia nahazo hazavana indray ankehitriny. Io no vokatra tsara nataon'ny tompon'andraikitry ny kaominina sy ny teo anivon'ny Jirama omaly. Misy ny vola mifampiditra eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ka tamin'ny alàlan'io no nijerena ny fifandaminana. Tao anatin'io fifanarahana io ihany koa no nahalalana, fa hanefa ny volan'ny Jirama amin'izay ny kaominina manomboka ity volana janoary ity, ary toy izany koa ny Jirama. Vokatry ny tsy fahatafitan'ny serasera no antony nahatonga ny fanapahana hoy ny ben'ny Tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina, ka mety hampiravona ny ahiahy momba ny olona nety nanome baiko. Raha ny eo anivon'ny kaominina manokana dia manomboka izao ny asa, hoy ingahy ben'ny Tanàna, ary hisy fijerena ny fanampiana ireo paompin-drano izay hita fa tsy ampy eto an-drenivohitra, ary toy izany koa ny fanadiovana sy ny tsena. Izay nampanantenaina tsy maintsy tanteraka, hoy i Andry TGV, ka manantena ny fifanomezan-tanana eo amin'ny mpitantana sy ny vahoaka, mba ahafahana manatontosa ireo asa goavana ho atao eto.




Izay nitady dia nahita
Enin-taona lasa izay no nitadiavan'ny Malagasy tsy vaky volo fiovana teto amin'ny tany sy ny fanjakana, ka dia nahita na ny soa na ny ratsy. Ny soa aloha no andeha tanisaina satria dia nahita io fiovana isika rehetra. Vita ny làlana mampitohy ny faritra maro tany amin'ny faritany, toy ny tany amin'ny faritry SAVA.
Teo ihany koa ny fahavitan'ny làlana teny an-tampon'Ihorombe izay tsy vita hatramin'izay. Ny lalana tetsy Anosibe sy ny tsena maro ary ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra olona. Ireo no hita maso fa ny mangidy kosa tao anatin'izay enin-taona izay, dia ny solika novidiana 400 ariary ny litatra dia lasa 2400 ny litatra ankehitriny. Ny vary 350 ny kilao efa vidiana 1800 kilao ankehitriny. Ny menaka 800 ny litatra efa 4000 ariary izany izao taona vaovao izao.
Ny hofan-trano dia efa tafakatra 200%, ary tsy mahita izany trano hofaina roa alina ariary intsony ianao, raha tsy hoe trano fotaka angaha. Ohatrinona ny karama noraisinao ny taona 2002, ary amin'izao io niakatra ohatrinona ?
Nitolona ho amin'ny fiovana isika ka izay nitady dia nahita, ary ireo voatanisa ireo ny ampahany ratsy sy ny tsara tamin'izay tolona izay. Dia mba nanao ahoana ny fiainanao nandritra izay enin-taona izay ? Anjaranao ny mieritreritra ny fiovana notakianao tamin'izany sy ny ankehitrio.




Asan-jiolahy
Sady nandoro trano no namono
Tsy mitsitsy ain'olona intsony ny jiolahy amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny tanànan'i Bevalokely, fokontany Antsitabe, kaominina Andriba, dia notafihan'ny jiolahy telo ny tokantrano iray, ny harivan'ny alatsinainy 6 janoary lasa teo. Mbola takariva, tamin'ny 5 ora tany ho any, no nahatongavan'ireo mpanafika tao amin'ilay tanàna. Nampiasa herisetra tokoa izy ireo satria tsy vitan'ny nandroba fananan'olona fa mbola nandoro trano sy namono olona ihany koa.
Araka ny vaovao azonay, dia novonoin'ireo jiolahy ho faty izy telo mianaka rehefa avy nodoran'izy ireo ny tranony. Ny trano lasa lavenona, ny omby vosotra efatra niaraka tamin'ny basim-borona iray nataon'ireo jiolahy najifa. Taorian'izany habibiana izany dia lasa nitsoaka niaraka tamin'ny fananana voaroba ireo jiolahy.
Amin'izao fotoana izao moa dia mbola ifampitadiavana ireo jiolahy. Ny zandary ao ao amin'ny borigadin'Andriba no mandray an-tanana ny raharaha.




Fitaterana an-drenivohitra
Tsy hiakatra ny saran-dàlana, fa...
Raha nisy nikasa ny hampiakatra ny saran-dàlana ho 400 ariary ny saran'ny fitaterana eto an-drenivohitra eo amin'ny Taxibe, dia maro ireo kaoperativa no tsy nanaiky io na dia hita aza fa miaina ao anatin'ny fatiantoka ny ankamaroan'nympitatitra. Nijery ny hisian'ny vahaolana izy ireo, ka voalaza fa manomboka ny 15 janoary izao, dia tsy hisy intsony ny saran-dàlana tapa-dàlana. 200 ariary io tapa-dàlana io, izay nahavonjy olona maro, saingy io no tsy maintsy nofoanana ka 300 ariary avokoa no aloha vao miakatra ny fiara ianao.
Ireo ivelan'Antananarivo kosa dia raha 400 io amin'izao, dia hiakatra 500 atsy ho atsy. Anton'io fiakarana io dia voalaza fa raha hiazo an'Ivato ianao, dia vitsy ny mandeha tapa-dalana 300 nefa io no mba tena ahazoan'ny fiara mpitatitra iray, satria raha maro ny tapa-dàlana dia misy olona hafa miakatra indray avy eo, ka mandoa vola 300 ariary indray.
Ny fiara karetsaka indray, dia hita fa nihena ny mpandeha tamin'izy ireny nanomboka omaly, satria lasa niakatra be ny sarany alain'ny mpamily amin'ny mpandeha. Aleon'ny maro mandeha taxibe na mandeha an-tongotra, satria ny eo ampela-tanana tsy mitombo fa mihena.
Vao manomboka dia efa izao no mahazo ny rehetra, ka hanao ahoana ny hanjo ny Malagasy raha toa ka mbola hiakatra indray ity vidin'ny solika ity afaka telo volana ?




Izao ve no tany mandroso ?
Raha ny kabary tsara lahatra dia haintsika Malagasy fa raha ny hitan'ny maso kosa dia toa ny mifanohitra amin'io no hita. Izay no zava-misy tsy azo lavina raha haka ohatra akaiky etsy Andralanitra ny lahatsoratra androany. Hianaka tsy ho ela eny amin'io faritra io sy ny manodidina ny valan'aretina kolera (« choléra ») raha izao no mitohy, noho ny hafitsoky ny lalitra mitondra otrik'aretina goavana ho an'ireo vahoaka monina eny sy ny manodidina. Toa tsy misy handrenesam-peo ny mety hisorohana ny loza ny rehetra, fa nahoana ? Tsarovy fa aretina mandripaka haingana noho ny Sida ny kolera, kanefa ny aretina azo avy amin'ny fahafinaretan'ny nofo dia handaniana vola be fa ny fisorohana ny fahadiovana toy ny etsy Andralanitra tsy misy mpiteny. Sa hiandrasana aina hafoy vao hisy hietsika ? Mahamenatra raha tany an-dàlampandrosoana toa i Madagasikara no mbola ahafantarana fa raha vao misokatra ny vava dia efa lalitra aman-jatony no miditra ao. Izao ve no tany mandroso ? Rehefa mikabary isika dia tsara sy mirindra avokoa no hita fa rehefa mijery ifotony ny tena zava-misy dia ny mifanohitra amin'izany no hita. Sa hiandrasana fanampiana any amin'ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena koa ny mandraraka fanafody famonoana lalitra io toerana mety hitera-doza ho an'ny Malagasy io ? Aiza ilay fiaraha-miasa eo amin'ny kaominina sy ny fanjakana hanadiovana haingana itony faritra itony ?
Mino anefa isika fa tsy ho raraka an-tany itony antso avo itony, mba tsy hifanomezan-tsiny indray ao afara ao.




Vono olona misesy
Mihorohoro i Mahajamba !
Very hevitra ny mponina ao amin'ny kaominina Mahajamba, distrikan'i Mahajanga II noho ny fiverimberenan'ny vono olona amin'ny fomba feno habibiana any an-toerana !
Tohy vakana ny faty olona hatramin'ny septambra 2006 no nanombohan'izao raharaha izao, tamin'ny nahafatesana vehivavy bevohoka nampiterahanana tao amin'ny toeram-pitsaboan'ny orinasa Aqualma tao Besakoa. Nodidiana ramatoa, na tsy nisy manam-pahaizana na fitaovana momba izany aza tao, ka niara-maty tam-piterahana izy sy ny zazakely. Voalazan'ny nanatri-maso tamin'izay fa nodidiana hatrany amin'ny tratrany io mpiteraka io, ary nisy nolavahana teo amin'ny fony ka nitory ny fianakaviany nefa toa very an-javony ny raharaha.
Nogoahana toy io koa ny fon'ny tovovavy vao 15 taona, nisy namono tamin'ny faha-26 jona 2007 teo sady notresahana ny lohany. Fotoana nampiparitaka ny vaovao momba ny halatra taova moa tamin'ireny nefa nitony ihany ny saina taorian'ny fanazavan'ny mpitondra isan'ambaratongany fa tsaho niniana naely ny resaka halatra taova .
Tsy tana ny ahiahy...
Nivarahontsana ihany indray anefa i Mahajamba iray vohitra tamin'ny faha-25 desambra teo ! Tsy tafaverina tao an-tranon-draiaman-dreniny indray ny zazalahy 14 taona, zanaky ny mpiasa nipetraka tao amin'ny tobin'ny Aqualma Besakoa, nirahana nividy zavatra... Telo andro vao hita tany anaty kirihitra ny razana izay novonoina tamim-pomba nahatsiravina. Nopasahana ny taolan-dohany nakana ny tao anatiny, noborina ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony ary nisy faritra nolavahana ihany koa ny fony !
Miandry vahaolana haingana avy amin'ny manampahefana ny vahoakan'i Mahajamba manoloana izao raharaha izao. Fanao tao amin'io toerana io hatramin'izay ary tsy nilana alàlana avy amin'ny fitsarana akory anefa ny fisavana isan-trano isaky ny misy fahaverezan-javatra ao amin'ny orinasa, nefa nolavina izany tamin'ity indray mitoraka ity na teo aza ny fitakian'ny mponina...




Andry TGV - Rafalimanana sy ny vahoaka
Samy mitondra fampandrosoana
Kihon-dalana diavin'ny tontolon'ny fampandrosoana eto amin'ny firenena ity taona 2008 ity izay tokony hanaovana jery todika vetivety ihany.
Feon'ny vahoaka
Ny vahoaka no andrianina ka mendrika henoina ny feony. Amin'izao fotoana izao dia miara-manaiky ny vahoaka fa tsy maintsy manohy ny asa izay mandimby toerana. Midika izany fa be ireo zava-bitan'ny PDS izay sarotra ny handravana azy indray. Fifidianana moa no naharava ny paik'ady saika notohizana ka tsy mahatakona velively ny maha teknisiana ny mpitondra nihintsana. Teknisiana Rafalimanana, hoy ny vahoaka ka tokony tsy havela hipetra-potsiny rehefa tsy lany fa maro ny toerana sahaza ny fahaizany. Inoana, hoy ihany ny mpaneho hevitra fa ampy hitsarana azy ny santionan'ny asa nankinina taminy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsena vaovao maromaro eto an-drenivohitra, ny fanatsarana ireo sekoly, ny fanaovana asa soa na dia tsy mbola tsy PDS aza ny tenany, toy ny kianja fanaovana basket amin'ny tanàna maro, ireo zaridaina sns...Efa nisy ihany ny vinavinan'ny haino aman-jery sasany amin'ny tokony hitanan'ity PDS teo aloha ity toerana ho amin'ny fampandrosoana, saingy anjaran'ny fanjakana tokoa ny mijery ireo teknisiana hahatontosa izany.
Andry TGV sy ny traikefany
Tsy ampy iray volana akory dia efa nanintona ny sain'ny vahoakan'Antananarivo ny raharaha manodidina ny kaominina sy ny fampandrosoana. Hatreto aloha dia nahavaha olana ny ben'ny tanàna. Azo an-tsaina ny maha teknisiana azy saingy mbola tsy miompana amin'ny ara-tsosialy loatra fa bahanan'ny politika. Ny fandraofana fako ihany mantsy aloha no asa tsy azo dinganina isan'andro eto an-drenivohitra fa ny ankoatr'izay dia saika fikojakojana no sisa. Mamporisika azy ny vahoaka mba hifantoka amin'ny ara-tsosialin'ny vahoaka ka hametraka ny resaka politika.
Rafalimanana Hery nametraka ny fototra
Raha izay ary no zava-misy hiaraha-manaiky dia tokony hanohy ny traikefa fampandrosoana efa nananany any amin'ny sehatra hafa aloha ny PDS teo aloha, sitrany ahay mba tsy milevina ilay talenta nampamirapiratra ny tanànan'Antananarivo manoloana izao tontolo izao.
Manoloana ny fanehoan-kevitry ny vahoaka koa dia toa tsy misy manamaivana izay traikefa efa hita teo aloha izay.
Raha atao indray mijery izay resaka momba ny Andry TGV, Rafalimanana ary ny vahoaka izay, dia samy manana tanjona fampandrosoana ny firenena. Hany hanavahan'ireo vahoaka mpaneho hevitra ireto teknisiana roalahy dia ny teo aloha efa nahavita, fa ny iray vao andrasana...




Amin'ny finoana ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony :
ny Alarobia 09 Janoary 2008, rehefa nivahiny 86 taona teto an-tany
Hoy,
Ny Zanany :
RAZAFINDRATSITOHAINA Honoré sy Laurence
RABE Norbert sy Nathalie
RASAMOELA Bertrand sy Lala
RAMARINJANAHARY Andriamanantena sy Gertrude
RANDRIANANTENAINA Paulin sy Beby
RAZAFINDRATSITA Désiré sy Lalao
RAMANITRARIVO Roger sy Noeline
RAOILY Janson sy Rosalie
RAZAFINDRATSITA Dieudonné sy Fara
RAZAFINDRATSITA Raphaelle Baovola
SIAD Michel sy Solofolalao
RAZAFINDRATSITA Ihaja sy Cathy
Ny Zaflny :
Rija sy Nanja, Landy sy Nivosoa, Lalaina sy Ihary, Rija sy Seheno,Tiana, Valohery sy Clara, Fidy, Lalaina sy Fara, Arsène sy Bodo, Zo sy Domoina,Volasoa, Sabrice sy Lanto, Lantoharivelo, Mamihaja, Fetra, Andry sy Anna, Willy sy Hanta, Jimmy sy Hasina, Miora, Rado, Pascal sy Prisca, Thierry, Tony, Vaniala, Rojo, Nichad sy Sonia, Roland sy Katya, Rindra sy Betina, Natacha, Haingo sy Haingomanitra, Mirana, Nirina, Rilàna, Nalira, Harry, Priscilla.
Ny Zafiafiny :
Nomena, Miantsa, Ny Aina, Mickaiah, Irinah, Andrianina, Faniry, Sitraka, Salohy, Galdino, Fanilo, Faneva, Miangola, Tsinjo, Diary, Mary-anne, Mathieu, Holitiana, Mandresy, Rudy, Ryan, Candice, Fitla.
Ny Zanaky ny iray tampo aminy :
ANDRIANAIVOJAONA Nirina Yves mianadahy avy.
Ny nofony dia hiala ao aminy LOT IA 69 Ampatsakana ny sabotsy 12 janoary 2008 amin'ny 12 ora antoandro, atao veloma farany ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EKAR Saint Vincent de Paul Ambatonilita Isoraka , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ankadivoribe Hodiamboahangy.
« MISAORA an'i Jehovah, ry fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina ».
(Salamo 103,1)




Voarahona ny mpanao gazety
Tsy mijanona eo amin'ny tsy fahafaliany amin'ny fitsimbadihan'ny vokatra intsony ny mponina ao Ampefy, fa miroso amin'ny fandrahonana mpanao gazety indray ny raharaha. Rehefa nanao ny fitokonany ireto mponina maro amin'ny kaominina Ampefy ireto, dia nanambara fa hotohizana io mandra-pivoakan'ny vokatra tena marina. Ao amin'ny radio iray any amin'io kaominina io no saika atao fitaovana hifampitana hafatra ho an'ny vahoaka, saingy misy olona mitady hihoam-pefy. Vokatry io, dia nakatona vonjimaika aloha izany radio izany mba hisorohana ny mety hisian'ny fanararaotana ataon'andian'olona. Fantatra ihany koa fa tsy mba tazana mandamina ny olona any amin'io faritra io ingahy depiote amin'izao ka ilay depiote taloha,Tolojanahary, no miditra manelanelana sy mijoro ho raiamandreny mba hisoroana ny mety hitrangan'ny korontana. Manantena anefa ity depiote teo aloha ity fa hendry ny vahoaka any ka ahay hitandro izany filaminana izany.




Polisy mihoa-pefy
Misy dosie mafonja eo an-dalam-panaovana famotorana
Nandritra ny famindran'asa teo amin'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena teo aloha, ny Controleur Général Rahaingo Jacky sy ny tale jeneraly vaovao, ny Controleur Général Talbot Alexis René Antonin, omaly maraina, teny Anosy, no nilazan'ity farany fa tsy azo leferina ny polisy mihoa-pefy sy mandika lalàna fa tsy maintsy mandeha ny fanenjehana.
Amin'izao fotoana izao, hoy izy, dia misy dosie mafonja mikasika izany polisy tsy manaraka fitsipi-pifehezana izany ka mandeha ny fanadihadiana. Mazava ho azy fa ankoatra ny fanenjehana ataon'ny fitsarana dia tsy maintsy misy koa ny fanejehana ataon'ny polisy, amin'ny alalan'ny fiakarana « Conseil de discipline ». Mikasika ny resaka fitaovam-piadiana miparitaka etsy sy eroa, dia nilaza ny tale jeneralin'ny polisy vaovao fa efa fantatra avokoa ny momba sy ny isan'ny fitaovam-piadiana eo anivon'ny polisy ary mandeha ny fanadihadiana mikasika izay tsy hita.
Misy paik'ady vaovao moa apetraky ny polisim-pirenena mba hametrahana ny fandria-pahalemana ary hanakaikezana kokoa ny vahoaka. Mifandrindra amin'ny Politika ankapoben'ny fitondrana moa izany.
Anio moa no hatao ny famindram-pahefana eo amin'ny tale jeneralin'ny polisy teo aloha sy vaovao, izay hatao eny amin'ny Sekoly Ambonin'ny Polisim-pirenena.




Fifidianana ben'ny tanàna : vokatra ofisialy
Misy ny fakàna an-keriny
Mitombo isan'andro ny fitarainan'ny vahoaka anatin'ny faritra manerana ny nosy, afa-tsy ny eto An-drenivohitra amin'izao fotoana izao mahakasika ny fivadihan'ny vokam-pifidianana ben'ny tanàna farany teo. Tsy tahotra tsy henatra fa dia navadika ho an'ny kandida TIM avokoa ny fandresena na dia niharihary izao aza ny fahareseny. Ohatra amin'izany fotsiny ny ao Ampefy izay tsy eken'ny vahoaka hatramin'izao ny hisokafan'ny biraon'ny kaominina satria kandida mahaleo tena no lany, nefa navadika ho an'ny kandidan'ny TIM. Torak'izany koa ny tao amin'ny kaominina Mahatsinjo any amin'ny faritra atsimo atsinanana iny izay samy namoahan'ny fitsarana didy nahazoany toerana ny kandida mahaleo tena sy ny TIM ka tsy fantatra marina izay ho ben'ny tanàna. Ny ao amin'ny distrikan'ny Maintirano moa dia saika natsimbadika ho an'ny TIM avokoa ny fandresena toy ny any Belobaka, Betanatanana sns...Rehefa nozohiana dia fanafoanana vokam-pifidianana tsy amin'antony no nampakarana ireo kandidan'ny TIM. Tsy manaiky ny mponina amin'ireo faritra rehetra ireo ka toa mampitandrina sahady ny hisian'ny korontana. NY tao Ampefy aloha dia efa nanambara fa na hisy ra mandriaka aza dia tsy hanaiky ry zareo. Ny mahatsikaiky amin'izy ity dia ny tsy nanampoizan'ireo kandida TIM ny fahalaniany tampoka tamin'ny ora farany. Ao moa ireo efa mifona amin'ny vahoaka ka manaiky hametram-pialana ary hanolotra ny fahefana ho an'ny mpifanandrina aminy.
Mazava kosa ny tanjon'ny hala-bato hatreto fa hihazakazaka hiato ny voninahitry ny TIM amin'ny fifidianana loholon'i Madagasikara izay hatao atsy ho atsy. Ireto mpanolon-tsaina sy ben'ny tanàna ireto mantsy no mifidy ireo loholona izay andrim-panjakana mitana ny ain'ny fitondrana.




Amin'ny finoana ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony :
ny Alarobia 09 Janoary 2008, rehefa nivahiny 86 taona teto an-tany
Hoy,
Ny Zanany :
RAZAFINDRATSITOHAINA Honoré sy Laurence
RABE Norbert sy Nathalie
RASAMOELA Bertrand sy Lala
RAMARINJANAHARY Andriamanantena sy Gertrude
RANDRIANANTENAINA Paulin sy Beby
RAZAFINDRATSITA Désiré sy Lalao
RAMANITRARIVO Roger sy Noeline
RAOILY Janson sy Rosalie
RAZAFINDRATSITA Dieudonné sy Fara
RAZAFINDRATSITA Raphaelle Baovola
SIAD Michel sy Solofolalao
RAZAFINDRATSITA Ihaja sy Cathy
Ny Zaflny :
Rija sy Nanja, Landy sy Nivosoa, Lalaina sy Ihary, Rija sy Seheno,Tiana, Valohery sy Clara, Fidy, Lalaina sy Fara, Arsène sy Bodo, Zo sy Domoina,Volasoa, Sabrice sy Lanto, Lantoharivelo, Mamihaja, Fetra, Andry sy Anna, Willy sy Hanta, Jimmy sy Hasina, Miora, Rado, Pascal sy Prisca, Thierry, Tony, Vaniala, Rojo, Nichad sy Sonia, Roland sy Katya, Rindra sy Betina, Natacha, Haingo sy Haingomanitra, Mirana, Nirina, Rilàna, Nalira, Harry, Priscilla.
Ny Zafiafiny :
Nomena, Miantsa, Ny Aina, Mickaiah, Irinah, Andrianina, Faniry, Sitraka, Salohy, Galdino, Fanilo, Faneva, Miangola, Tsinjo, Diary, Mary-anne, Mathieu, Holitiana, Mandresy, Rudy, Ryan, Candice, Fitla.
Ny Zanaky ny iray tampo aminy :
ANDRIANAIVOJAONA Nirina Yves mianadahy avy.
Ny nofony dia hiala ao aminy LOT IA 69 Ampatsakana ny sabotsy 12 janoary 2008 amin'ny 12 ora antoandro, atao veloma farany ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EKAR Saint Vincent de Paul Ambatonilita Isoraka , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ankadivoribe Hodiamboahangy.
« MISAORA an'i Jehovah, ry fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina ».
(Salamo 103,1)




Vakinankaratra
Accent sur les 3R
Rigueur, rapidité et résultat. L'investiture des 84 maires de la région Vakinankaratra a été l'occason pour le chef de Région, Lanto Rabenatoandro de réitérer que l'effort commence à la base.
Deux grandes cérémonies se sont déroulées dans l'enceinte du bureau du secrétariat général de la région Vakinankaratra pendant la matinée du jeudi 10 Novembre. La première, la cérémonie officielle d'intronisation des 84 maires élus de la dernière élection communale du 12 décembre dernier suivie de la présentation de voeux de la grande famille de la région toute entière sous l'égide du premier couple de la région, Lanto Rabenatoandro Chef de Région et son épouse Olga Ramalason Maire de la ville d'Eaux.
Investitures des 84 maires
84 maires issus des 7 districts dont 77 hommes et 7 dames ont reçu officiellement leurs écharpes tricolores durant cette cérémonie. La région du Vakinankaratra est composée de 86 communes mais après la proclamation officielle des résultats des élections communales du tribunal Administratif 2 communes Ankazomiriotra et Manadona doivent refaire leurs élections. Le chef de Région et le ministre-coach, le secrétaire d'Etat chargé de la Sécurité publique, Désiré Rasolofomanana ont dirigé la cérémonie de remise des écharpes. Pour ces 84 maires, le chef de Région a signalé qu'ils sont la base du développement de la région. Le président de la République a donné 3 prioritaires pour cette année 2008 la croissance économique à 8%, la promotion du développement rural et la réduction de la pauvreté donc l'effort commence à la base. Le chef de Région a mis l'accent sur les 3R qui constituent les défis de la région Rigueur, Rapidité et Résultat.
Le Ministre coach a mentionné que la place du Maire n'est pas seulement un honneur mais également un titre où le travail qui est la base du développement tient une très grande place. Toujours selon lui, les maires doivent être de bons leaders du développement.
2008 : suite de l'effort pour Vakinankaratra
Malgré la dernière valse de limogeage des chefs de Régions, ceux du Vakinankaratra n'ont pas été touchés, ce qui constitue déjà un grand succès pour la région. Pour cette année donc la mission de la région est de poursuivre les efforts effectués en rajoutant d'autres missions. Durant son allocution le chef de Région a cité quelques activités effectuées par la région pendant l'année 2007 : 692km de route réhabilitées, 882m de ponts, 20 communes bénéficient d'adduction d'eau potable, 66 écoles construites, 112 864 hectares de surface cultivés en riziculture...




Izay mandalo dia mandavaka
Gaga ny rehetra raha mahita ireto mpitondra fanjakana izay noesorina amin'ny toerany, izay mamela trosa hatrany rehefa mandao ny toerany, nefa fony izy ireo nitondra toa manambara fa mizotra hatrany ny asa fampandrosoana ka zary lavitr'izany trosa izany. Firy tamin'ireo mpitondra vao niala tamin'ny toerany izao no nahitana lavaka be rehefa nanao ny famindram-pahefana izy ireo. Matoa aloha noesorina na nosoloina dia hitan'ny filoham-pirenena fa tsy nahomby. Ny mahagaga anefa toa izay mandalo dia mandavaka, ary tsy hita pesipesenina ny trosa avelan'izy ireo. Firenena inona no handroso amin'izany raha samy hanao toy io avokoa ny mpitantanana rehetra. Hita aloha hatramin'izao, fa tsy misy ny traikefan'ireto mpitondra sasany ireto matoa mbola tsy mety tafarina foana I Madagasikara. Inona no sazy ho an'ireo minia manao rapa-dango ny harem-pirenena lava izao ? Maro ny manao « audit » ireo izay mandray ny fahefana vaovao, saingy toa tsy hita veroka ny tohiny . Izay angamba no ilaina ny hametrahana haingana ny haute cour de justice hitsara ireo mpitondra izay heverina fa manao ny tsy mety. Rahoviana anefa io no hijoro, ary iza no sahy hametraka izany ?




Vondron'olona any Ambatomanoina
Sady mampiasa ody gasy no maka volabe aman'ny vahoaka
Manampatra fahefana ireo andian-olona mivondrona ao amin'ny ZAMAMI any amin'ny kominina Ambatomanoina, distrikan'Anjozorobe.
Milaza fa hitandro ny fandriam-pahalemana eny anivon'ny vahoaka ireo andian-jatovo ireo ka manao izay danin'ny kibony. Sady hakàny vola ny vahoaka no hasainy miantoka sakafo sy vehivavy ho an-dry zalahy.
Araka ny vaovao azo dia mampiasa fanafody gasy ry zalahy mba hiarovana ombin'olona hono. Mitaky karama telo tapitrisa Ariary amin'ireo olona izay mampiantrano azy. Voalaza fa efa nahazo vola roa tapitrisa Ariary moa ireto andian'olona ao amin'ny ZAMAMI ireto. Milaza fa mahavita miaro asan-dahalo ry zalahy ary miaro ny olona sy ny fananany.
Misy moa ireo manana harena betsaka harovana ka dia nahasahy nanome volabe ho an'ireo vondron'olona ireo.
Nanoloana ity toe-javatra ity dia namory ny manam-pahefana tany an-toerana, sy ny fokonolona ny zandary ary nanentana ny olona mba tsy hampiantrano izany karazan'olona mitaky volabe sy mampiasa ody gasy izany.




Polisim-pirenena
Tsy hisy intsony ny « rappel » amin'ny karama teo aloha
Amin'izao fotoana izao dia eo ambany fibaikoan'ny Contrôleur Général Talbot Alexis René Antonin ny polisim-pirenena. Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin'ny tale jeneraly teo aloha, ny Contrôleur Général Rahaingo Jacky sy ny tenany, tamin'ny alalan'ny lanonana ara-miaramila, izay natrehan'ny fianakaviam-ben'ny polisim-pirenena.
Taorian'izany famindram-pahefana izany dia tafaresaka tamin'ny mpanao gazety ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka, ny Inspekitera Jeneraly Rasolofomanana Désiré. Tamin'izany no nanamafisany fa tsy misy intsony ny « rappel » amin'ny karama izay nampisavorovo ny sain'ny polisy, ary nandrasan'izy ireo nandritra ny taona maro. Efa nisy ny fifanarahana tamin'ny mpitondra teo aloha sy ny minisiteran'ny vola niaraka tamin'ny polisim-pirenena mikasika ny fandoavana tsikelikely izany karama izay nasondrotra nanomboka tamin'ny taona 2003, noho ny fiovan'ny satan'ny polisim-pirenena. Nambaran'ny minisitra Rasolofomanana fa efa nohazavaina tamin'ny polisy izany toe-javatra izany ka tso tokony hisy intsony ny fimenomenomana ambadika.
Fa ankoatr'izay dia nohamafisin'ny Inspekitera Jeneraly Rasolofomanana fa hohamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana na an-drenivohitra na ambanivohitra izay mbola hananan'ny polisy alalana sy fahefana. Ny tale jeneralin'ny polisy vaovao moa dia nanome toky fa hanao ezaka hanandratra avo ny polisim-pirenena ary mba ho mendrika ny fitokisana napetraka taminy na adidy mavesatra sy mankadiry aza. « Maro ny asa miandry ary miahasarotra kanefa tsy maintsy resena », hoy Atoa Talbot.




Ministra Radavidson
Ho foanana tokoa ve ny TIM fanabeazana ?
Omaly tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no mbola nanamafisan'ny ministry ny fanabezana sy ny fikarohana ara-tsiansa Radavidson Andriamparany Benjamin, fa aoka hipetraka ny resaka politika eo amin'ny sehatry ny fanabeazana fa andeha ny fanabeazana ho an'ny ankizy sy ny tanora no hobanjinina.
Hatreo ihany tamin'ireo kabary lava be nataony momba io no raisinay, ka hoy izahay hoe hofoanana ve izany ny TIM fanabeazana izay toa mahazo laka eo amin'ity ministera ity ?
Ny mpanolotsaina politikan'ny filoham-pirenena Moxe Ramandimbilahitra dia efa nanambara ny tokony hanafoanana io TIM fanabeazana io, fa toa mamoritra ny mpampianatra fotsiny. Dia ahoana hoy ireo mpitarika ity fikambanana politika tafatsofoka lalina any amin'ny fanabeazana ity raha ho foanana ?




Filankevitra Mahajanga I
Nandray fahefana i Tony Josoa
« Famindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny filankevitra monisipaly teo aloha sy ny vaovao notanterahina ny Zoma 11 janoary 2008 ny famindram-pahefana teo amin'andriamatoa ABRASSE Massoud sy Andriamatoa Tony JOSOA. Ity farany dia voafidy ho filoha vaovao ny filankevitra monisipaly eto amin'ny kaominina Mahajanga. Tokony efa hisy hoy ny ben'ny tanàna vaovao ny asa 10 andro aorian'ny fametrahana izao filohan'ny filan-kevitra vaovao izao.Hisy àry ny fiofanana filan-kevitra miaraka amin'ny distrika, fanolorana amin'ireo mpanatanteraka ny rafitra avy amin'ny ben'ny tanàna ary ampandalovina any amin'ny mpanolo-tsaina.Miisa efatra ireo birao maharitra ao amin'ity filankevitra vaovao ity. Ny filoha dia Andriamatoa Tony JOSOA, filoha lefitra RANDRIAMIHAVANA avy ao amin'ny Hery Miray, mpitondra voalohany andriamatoa Veve avy ao amin'ny antoko tarihin'i JAMOKA ary ny mpitondra teny faharoa Andriamatoa Malala avy amin'ny antoko tarihin'i Badroudine.Fantatra àry fa ny 15 janoary hoavy izao no handinika ny rafitra napetraky ny ben'ny tanàna vaovao ireto mpanolotsaina vaovao ireto.Marihina fa samy avy amin'ny antoko politika samihafa ireto birao vaovao voafidy ireto raha ny antoko TIM no mibahan-toerana amin'ny isa ao amin'io filan-kevitra vaoavao io ».




Tranom-piatohana MAMA
Migoka ny vokatra ny mpiasa
Miarin-doha ny tranom-piatohana MAMA, raha ny vokatra azo nandritra ny taona 2007 no asian-teny, satria niakatra 13,50% ny vola naloa tamin'ireo tram-pahavoazana raha mitaha tamin'ny taona 2006. Ny vola fiandry ihany koa dia nahitana fitombony, ary voalaza fa nitombo 85% ny vola niditra tao amin'ny MAMA ny taona 2007, ary porofon'izany ny asa mivaingana vita toy ny trano trano miisa enina izay hita any Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Manakara, Antsirabe, Anosibe, ary ny etsy Ambohimanarina. Misy ihany koa ireo tany vao novidiana hanorenana trano toy ny any Miarinarivo sy Maevatanana. Noho ny ezaka nataon'ny mpiasa sy ny mpitantanana dia hampiakarina 10% ny karaman'ny mpiasa hoy ny mpitantanana vonjy maika ao amin'ity tranom-piatohana MAMA ramatoa Ranirimanga Sabine, raha nifampiarahaba tratrin'ny taona tetsy amin'ny trano fisakafoana iray etsy Antanimena izy ireo omaly. Tanjona ny ahavita tsara noho ny tamin'ny taona lasa iny amin'ity taona vaovao ity, ary vonona ireto mpiasa ireto sy ny mpitantanana ny hanao ny ezaka ho an'ireo manana petra-bola ao amin'izany MAMA izany.




Niverina amin'ny taniny ny Jiosy
Manoloana ny hasarotry ny fiainana ankehitriny, moa mbola hisy sahy hanohitra ny fanjakana ihany ve ireo mpanao politika izay hita fa nahery fomba fiteny tamin'ny fitondrana ankehitriny ? Io fanontaniana io no hisarihana ny sain'ny maro fa tsy hipetraka ao aminao intsony ny tena foto-kevitra rehefa tsy misy ny vola ho entina mihetsika. Fantatra mantsy fa hiverina hiasa eny anivon'ny ministeram-panjakana ny depiote mpanohitra maro rehefa tsy tafita intsony teo amin'ny fifidianana izay nataony. Kandida nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena sy ho depiote farany teo tany amin'iny atsimon'ny nosy iny no voalaza fa handray asa tsy ho ela eo anivon'ny ministera hisahana ny resaka fampianarana. Toy izany koa ny ministra tamin'ny Governemantan'ingahy Sylla, izay nivadika ho mpanohitra mahery vaika dia hiasa eo anivon'ny ministeran'ny fikarohana siantifika, izay olona mbola avy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy io. Nisy depiote hafa ihany koa izay handray ny asa maha-mpiasam-panjakana azy indray, izay hisana ny resaka fampianarana ihany koa. Niverina amin'ny taniny ny jiosy hoy ny mpitazana, ary tsy misy aharatsy izany, satria ny asany teo aloha no sahaniny, saingy moa afaka mbola haneho hevitra toy ny taloha ve izy ireo ? Hiarahana mahalala ihany mantsy ny mahazo ireny mpiasam-panjakana ireny, ka izay no hilazana na ny hiverenana amin'ny sehatra tahaka izao aza anie ka efa nisy fifampiraharahana goavana e. Ny kibo tokoa tsy mba lamosina, ary ilay politika mba natenaina hitondra tamin'ny fandresena ity toa nandalo ihany, koa tsy rariny ve raha mba hijery ny vava mihetsika toy izay ho lany andro amin'ny tolona tsy ahitana fahombiazana hoy ny mpitazana sasany.




Fitantanana ny kaominina
Fa nankaiza ny TGV ?
Mila olom-baovao tanora vonona hanarina ny tanàna eto andrenivohitra ny maro, ka dia nirohotra nanome ny vatony 63% ho an'i Andry Rajoelina na Andry TGV hoy ny maro, satria io no afaka hanao izany. Nirohotra avokoa ny ankamaroan'ny tanora rehetra, satria tanora vonona i Andry TGV izay hanome fomba fiasa vaovao eto amin'ny tanàna.Gaga anefa ny maro raha nahita ny olona hiara-hiasa amin'ity Andry TGV ity amin'izao izy lany ben'ny tanàna izao, satria toa tsy misy olom-baovao ireto manodidina azy. Serge Radert izay efa niasa tao Ambohitsirohitra niaraka tamin'ny filoha Ravalomanana, saingy efa noesorina tamin'ny toerany taona vitsy lasa izay, ary olona akaiky ny Profesora Zafy Albert. Michele Ratsivalaka izay efa ministra teo aloha tamin'ny andron'ny Profesora Zafy Albert ihany koa ary anjaran'ny rehetra ny mitadidy ny zava-nisy tamin'izany. Niry Lanto, ampahany amin'ireo olona miara-miasa amin'ingahy ben'ny tanàna ireo, ka nahatonga ny rehetra hilaza hoe fa nankaiza daholo ireo tanora nitaingina skotera nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny no tsy mba nisy nalaina hiara-miasa hampandroso ny tanàna, fa iretsy olona efa nitondra teo aloha avokoa no nalaina hameno ny seza ? Tsy zoviana amin'ny rehetra mantsy raha ireo anarana voalaza etsy ambony ireo, kanefa dia nahazo laka ao amin'ny tanàna amin'izao.Tsy manana tanora gasy vonona hafa ve isika no anarana efa heno foana no omena sehatra eo amin'ny fitantanana, sa nisy fifanarahana hafa ka tsy maintsy nomena sehatra ireo anarana voalaza etsy aloha ireo ? Matoa ny vahoaka nitaky fanovana dia mila olona vaovao izy, sa ny tanorantsika no mbola tsy ampy traikefa ka voahilika lava amin'izay sehatra tokony hisy azy ? Nefa ny asa vita no hifampitsarana ka ho hita eo ihany satria mahalala izay heverina fa afaka hiara-miasa aminy ny ben'ny tanàna, ary tsy atao mahagaga ny fahitana olon-kafa miravaka ny vanginy aorian'ny ady mafana toy ny tamin'ny 12 desambra ireny.




Fisondrotry ny vidim-piainana
Samy manao izay saim-pantany...
Tsy misoko mangina intsony ny fiakaran'ny vidim-piainana, indrindra eto an-drenivohitra fa dia efa miharihary mihitsy ka tsy misy hisafidianana intsony ny vidin-javatra. Tsy hita intsony ilay fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa.
Ny zavatra rehetra ilaina amin'ny fiainana andavanandro mihitsy no niaka-bidy. Anisan'izany aloha ny sakafo vita amin'ny ronono izay tsy hiadian-kevitra fa efa ny manan-katao sisa no mahazaka ny vidiny.
Tamin'ny volana desambra teo dia niakatra hatrany amin'ny ar 6000 ny iray kg amin'ny henakisoa, niakatra toy izany ny vidin'ny akoho vazaha. Vao nigadona indray ny volana janoary 2008 dia nihena hatrany amin'ny 50% any ny lanjan'ny mofo dipaina iray. Iza moa no nifampiera tamin'izany fa dia samy manao izay saim-pantany e ! Etsy andaniny dia manao ny ataony koa ireo mpanao fitaterana satria nisondrotra ny vidin-tsolika. Tampi-dalan-kaleha ny vahoaka madinika satria ny vidim-bary dia efa hiaraha-mahalala ny fahalalahana ka hanao izay fantany ny mpanambaka, ny mpitondra aza moa manao ny ataony koa.
Dia mahagaga ihany ny mbola maharesy lahatra ireo mpamatsy vola amin'izany. Sa kosa ny harinkaren'ny fetsifetsy sy mpanangon-karena no nitsarany azy ?
Ireny mantsy no manana fiara sy tsy ory ara-tsakafo ka azony atao fanoharana akaiky. Ny vahoaka kosa hitoetra ho tohatra fiakarana hatramin'ny farany. Tsy nisy afa-tsy ny fifidianana no nahaizan'ireo mpanao politika nifandray tamin'ny vahoaka fa rehefa tonga eo amin'ny toerany izy dia veloma rahavako fa amin'ny fifidianana manaraka indray mifandray tanana.




Be tetika
Tao anatin'ny 30 taona teo ho eo, no nandrenesana fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa, ary miaina ao anatin'ny fahantrana tanteraka io tantsaha io. Mitombina tokoa izany, raha mahita ny fari-piainan'izy ireo, satria ny tombon'ny fambolena mamelona antsika Malagasy tsy vaky volo indray no tena fadiranovana. Raha ny vidim-bokatra dia mazana tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy no handraisan'ireo mpijirika izany eny ifotony, koa tsy mahagaga raha mbola miaina ao anatin'ny fahantrana tanteraka izy ireo. Mitsoaka miakatra ny renivohitra ny ankamaroan'ireo tantsaha satria toa tsy mahavelona azy intsony ny fambolena sy ny fiompiana, ary ireo izay mbola manabe-voho ny taniny indray dia ireny haripaky ny mpangalatra ireny izay eo ampela-tànany. Ho jerena manokana izy ireo amin'ity taona ity hoy ny filoham-pirenena raha nikabary, ary tamin'io ihany koa no nilazany ny hanafarantsika ireo osy maro be izay efa tonga tamin'ny sabotsy lasa teo, mba hanome ronono sy hena ary ny hodiny hanaovana « tapis mohair ». Tsara rehefa be tetika fa maika ve ny osy hoy ny mpitazana ? Nahoana raha fitaovana toy ny trakitera no nafarana maro be mba hiasa ireo tany midadasika eto amintsika, ary hafarana toy izany koa ny zezika sy masomboly raha tsy ampy ny eto antoerana mba hamokaran'ireo tany avy nohasain'ny trakitera ireo. Sa hiandrasana vahiny toy ny eny antampon'I Ihorombe ny hanao izany ? Raha miditra amin'ny fanaovana izany isika, dia ho maro ny olona ahazo asa, ary havokatra ny tany fa tsy sanatria avela ho ngazana tahaka izao, ary azo antoka fa na katsaka sy mangahazo monja aza no volena amin'ireny, ho afaka ao anatin'ny mosary isika, ary azo atao tsara ny manondrana izany any ivelany, saingy hatraiza ny finiavana hanao izany ?




Depiote Andriamaholison
Niaiky fa tsy nahasarika tanora ny TIM
« Maizina ny lanitra hitan'ny tanora, satria maro no tsy an'asa, ary miakatra sy tena midangana ny vidim-piainana, io no hitan'ny tanora ankehitriny ka nahatonga azy ireo hifidy TGV teto andrenivohitra ». Io no nambaran'ny depiote voafidy tao amin'ny boriborin-tany voalohany eto andrenivohitra tao amin'ny Aceem radio ny alahady teo. Tsy hitan'ny tanora ny ezaka ataon'ny fanjakana toy ny fahatokisan'ny mpamatsy vola ivelany, sy ireo fotodrafitr'asa isan-karazany vita teto, fa nosaronan'ireo vidim-piainana ny mason'ny tanora. Raha atao ihany koa ny kajy dia maro be ny vahoaka mbola tsy tonga nifidy, ka tsy fantatra izay tena any antsain'izy ireo na manohana ny fanjakana na tsia. Ny azo hambara aloha hoy ity depiote ity, dia mbola maro ny manohana ny fitondrana sy ny TIM. Mpitarika sendikaly ity lehilahy ity, saingy toa nankasitrahany ny 10% amin'ny fanondrotana ny karama nataon'ny filoham-pirenena, izay nambarany fa ampy aloha io. Rehefa foana ny fanadiovana isaky ny ministera izay be mpiasam-panjakana matoatoa, dia izay vao tokony ho jerena indray ny mety hanampiana izany karama izany. Hatreto dia niova fomba firesaka tanteraka ny tenany rehefa tafiditra ao anatin'I TIM sy lasa depiote, tsy toy ny fomba fijeriny fony izy nitaky ny karama farany ambany ho 450.000fmg talohan'ny taona 2000. Tsara ny milaza fa mpikambana ao anatin'ny TIM fahasalamana ny lehilahy ; ary tsy mankasitraka ny hanafoanana ny TIM fahasalamana sy ny fanabeazana eny anivon'ireny ministera isan-karazany ireny.




Anosibe : Fivarotam-panafody
Norahonan'ilay manampahefana ny mpivarotra
NIteraka resa-be teo Anosibe sy ny manodidina ny nataon'ny manampahefana iray nividy fanafody tamin'ny fivarotam-panafody mpiandry raharaha tamin'ny alahady teo satria dia olona maro tokoa no nahita ny fandrahonan'ilay manampahefana ny mpiasan'ny faramasia ka nanereny azy hivarotra fanafody tsy misy taratasin'ny dokotera mitaky izany ny fivarotana ilay fanafody. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra ka namoahan'ity manampahefana karatra. Toran-kovitra ilay mpivarotra ka nanome tsy sazoka. Tsy vitan'ny nahazo ankeriny ilay fanafody ity manampahefana (vehivavy) fa mbola niverina nandatsa ity mpivarotra ka nanao hoe « sa hanome ihany ? ».
Tsy nanan-tsafidy nanoloana ny lako tampoka ity mpiasan'ny farmasia ary tsy afaka nanafina izany satria natrehan'ny mpanjifa maromaro. Nandeha ny resaka taorian'io ka niraisana ny hevitra amin'ny maha fanafody saro-pady ity nanerena mpivarotra ity. « Fanaparam-pahefana » izay no azo nandikana ny fihetsik'ity olona ity. Tsy fantatra mantsy na mety hamoizana ain'olona ny fampiasana ny fanafody saro-pady toy ireny, na mety hitsaboana olon-dratsy any ambadimbadika any.




Fanendrena sefom-pokontany
Mbola ankivy hoy ny mpitazana
Dia ny « prefet de police » indray izany no manendry ireo sefom-pokontany eto andrenivohitra araky ny tapaky ny filankevitry ny ministra ny zoma teo, raha nihevitra ny maro fa ny ben'ny tanàna no hanendry azy ireo. Mazava ho azy fa tsy misy olona izay heverin'ngahy ben'ny tanàna fa ahavita ny asa fampandrosoana tiany hapetraka eto izany no handray ny fitantanana, fa olona alefan'ny prefet no hitana io andraikitra io. Inona no nanova io lalana io tampoka hoy ny mpitazana ? Mbola ankivy atao amin'ny TGV indray io hoy ny mpitazana maro, mba tsy ahafahan'ny TGV ahazo vahana firy eto amin'ny renivohitra. Inona no hambaran'ingahy Andry Rajoelina manoloana izany ? Hiteraka fifandonan-kevitra io, satria mety tsy hanaiky ny baikon'ingahy ben'ny Tanana firy ireny sefom-pokontany ireny, ka izay no mety hampifandrirotra ny hevitra. Nefa ho hita eo fa samy manana ny handikany izao ny vahoaka maro eto Antananarivo.




Tsy mahay maka tahaka
Filamatry ny firenena Malagasy ny hitovy amin'ireo tany mandroso any ivelany, ary rah a ny tsapa dia na ny fomba firesaka amin'ny raharaham-panjakana aza, dia moa va tsy ireny firenena matanjaka ireny no ambetin-dresaka. Ny soa fianatra, ary firenena izy no tsy haniry ny hilahatra amin'ny ngeza. Ny mampalahelo anefa dia misy azo hampiharina eto, ary misy tsy azo atao. Raha mahita ireny fifidianana any ivelany ireny ny maro dia manjaka tokoa ny ady hevitra politika volana maro mialohan'ny latsa-bato. Miainga amin'io no ahitan'ny vahoaka ny mety ho fandaharan'asan'ilay kandida, indrindra fa ny politika apetrany raha lany izy. Hita taratra io tany Frantsa ary io efa manomboka mafana io koa ny any Amerika, izay ahitana ny hery ankavia sy ny ankavanana tsy mifampitsitsy eo amin'ny famelabelaran-kevitra izay atao. Ireo firenena roa ireo mazana no ataon'I Madagasikara filamatra, saingy nahoana no tsy mba nasiana ireny ady hevitra nifanatrehan'ny kandida ireny teto nandritra ny fifidianana izay miseho ? Mazana dia ny olona eo amin'ny fitondrana no tsy sahy miditra amin'io resaka io, ary samy nahatsapa izany ny rehetra. Ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra, koa ampiaro eto izay misy any ivelany fa zakan' ny toe-tsaintsika izany, sa tsy mahay maka tahaka indray isika mianakavy ? Sa ny ady hevitra maningotra seza na hanakorontana ny saim-bahoaka ? Ratsiraka sy Zafy Albert no sahy nanao io teto, koa inona no maharatsy ny famerenana ireny amin'izao vanim-potoanan'ny mangarahara izao, indrindra fa hisy fifidianana roa hatao indray afaka volana vitsy. Ho diso ve ny hafa raha hilaza fa tamin'ny andron'ingahy Zafy no tena nanjaka ny demokrasia satria tamin'izany no tena nahitana ady hevitra teto amin'ny firenentsika. Vitan'ny hafa ve tsy ho vitantsika e.




Antohomadinika
Polisy iray maty voatifitry ny jiolahy
Nirefotra indray ny basy, tetsy Antohomadinika, afak'omaly alina, tamin'ny 10 ora alina ho any.
Notafihan'ny andian-jiolahy nirongo fiadiana ny paositry ny polisy, etsy Antsalovana-Antohomadinika. Polisy roa lahy sy sivily iray no tao amin'ny birao tamin'izay fotoana izay. Teo am-panavaovana daomy ry zalahy no niditra ireo jiolahy ary avy hatrany dia nitifitra. Bala efatra (teo amin'ny hatony, tongotra, kibony, ary sorony) no nahafaty ny polisy iray, antsoina hoe Razafimahatratra Edmond (42 taona). Polisy iray kosa naratra mafy, voan'ny bala teo amin'ny kibony. Ilay lehilahy sivily moa dia voatifitra teo amin'ny tongony ary mbola tsy tafavoaka ny bala. Basy poleta roa moa no very tao amin'ilay paositry ny polisy noho izany.
Araka ny nambaran'ny filoham-pokontanin'Antohomadinika, Ramarojaona Théophile, dia poa-basy tsy latsaky ny enina no henon'izy ireo teny an-toerana, tsy lavitra ny tranony moa no misy ny paositry ny polisy sy ny biraom-pokontany mifanila aminy. « Noheverinay fa tohin'ny fifampitifirana teny Tsaralalàna ilay poa-basy, hoy izy, ka mbola tsy niraika izahay. Taorian'izay dia nisy nitoraka ny tafo-tranonay ary nisy niantso an-tarobia aho ».
Nony tonga tany amin'ny paositry ny polisy dia ny fatin'ilay polisy nihoson-drà niankohoka teo amin'ny gorodona no hita. Ny fokonolona moa no nitondra ilay polisy sy ilay sivily naratra tany amin'ny hopitaly.
Marihana fa polisy efatra no tokony niasa tamin'io alina io saingy niandry faty ny iray ary nandeha nivoaka nisakafo ny iray. Efa hitan'ny olona nihaodihaody teo amin'ny manodidina ny paositry ny polisy moa ireo jiolahy talohan'izao fanafihana izao.
Valifaty sa fifandrifian-javatra ?
Ny alin'ny fifampitifirana nahafaty olona roa tetsy Tsaralalàna no nitrangan'ity fanafihana polisy teny Antohomadinika ity. Velom-panontaniana ny maro hoe valifaty ve satria nahafaty olona ny polisy sa fifandrifian-javatra.
Ny tale jeneralin'ny polisy, Talbot Antonin moa dia nilaza fa ny famotorana no hahafantarana izany. « Tsy azo tsinontsinoavana izany ny mety ho fahamarinan'izany fa aleo ny famotorana no hilaza azy ». Nohamafisina avokoa moa ny fiambenana ny paositry ny polisy rehetra mba hisorohana ny tahaka ity nitranga tetsy Antohomadinika ity.
Marihina fa efa nentina any Ambalavao omaly ny fatin'ilay polisy. Tonga teny amin'ny HJRA nampahery ny fianakavian'ny maty ny fianakaviam-ben'ny polisy notarihan'ny tale jeneraly.




Taxi-be
Hampakatra saran-dalana ?
Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin'ity fandraisana fepetra amin'ny saran-dàlana ity satria tsapan'izy ireo ny fahasahiranan'ny olona, nefa tsapan'ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakarana saran-dàlana ho avoavo kokoa ireo tompon'ny taxi-be. Vao nisy fanapahan-kevitr'izy ireo manokana mantsy amin'ny tsy fisian'ny saran-dàlana Ar. 200 intsony, saran-dàlana tapa-dàlana io. Ny zotra avy eny Anosibe aloha dia samy manana ny heviny sady ny sasany koa aza tsy mahalala io didy jadona io akory, hany ka ao ny mitondra amin'ny Ar. 200 miainga eo Anosizato mankeny Anosy. Sanganehana moa ny resevera satria làlana ihany iny ka tsy aleo ve entina ihany ? Ao kosa ireo resevera miseho ho tompon'ny fiara ka na fihantsonana iray aza no dinganina dia Ar. 300 ihany ny saran-dàlana. Ny ala olana dia ny fiakaran'ny vidin-tsolika, saingy odiana tsy hita ny kalitao na ny fomba fiasan'ny mpamily sy ny resevera, na ny fahadiovan'izy ireo, ary ny haratsin'ny fiara. Asam-bahoaka no ataon'izy ireo saingy toa tsy fantany akory izany. Manomboka amin'ny 6 ora sy sasany hariva eo dia efa miato amin'ny asany ny sasany. Ny haterin'ny fiara moa dia tsy lazaina intsony, ampian'ny fofona vokatry ny fitondrana entana tsy ara-dalàna. Tsikaritra moa tato ho ato fa niha goragora indray ny fanajana ny lalàna ka na ny polisy aza dia malaina hisakana azy ireny, na dia hita izao aza fa ny entana no mibahana ny seza. Ny polisy mitondra moto izao no tena manara-maso azy ireny, saingy vitsy dia vitsy ka tsy maharaka. Ny tapak' andro maraina no tena ahitana ny tsy ara-dalàna ataon'ireo taxi-be, indrindra eo Anosy eo. Ny zotra 150 sy 165 dia saika tsentsin'ny entana toy ny legioma sy voankazo ary hanikotrana. Eo no hilazan'ny resevera ny hoe « mandehana taxi rehefa tsy handeha ! » Dia asa aloha izay hiseho raha manandrakandrana manondrotra saran-dàlana eo ireo mpitatitra ireo satria tsy misy rahateo ny mpanelanelana toy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa dia mifampiresaka mivantana amin'ny vahoaka ireo mpitatitra. Mafy loha ireto mpitatitra ireto ka ny vahaolana dia ny famoahana ireo fiara vaovao amin'izay. Na Ar. 500 aza ny saran-dàlana dia tsy maninona rehefa tsara ny kalitao sy ny fiara, ary olona mba manana diplaoma CEPE farafaharatsiny no atao resevera.




« Iaveh ô, na aiza na aiza no alehako,
Ny tendrinao no nanondro ny hiainako
Ny sitrakao no namaritra ny androko
Tsy maizina ho Anao na aizina aza
Hazavana mamiratra ny alina ».
Tsarovy amim-bavaka izy.
Eny tokoa indray miserana ihany ny iainantsika tsirairay
Izay ilaozana, mipitrapitra
F'ilay fandalovanao tety, tsaroana foana ho anay
Isan'andro, isa-minitra
Fa dia fotoana fohy dia fohy
No nampindramana anay, fo tena be fitiavana
Poa toa izay dia nafoy
Dia tsy maintsy koa nekena, tsy ametrahana fandavana
Tena mamy, mamy be
Ilay niarahana taminao tamin'ny andro maro lasa
Tsy ho adinonay
Sa 'zay tokoa no atao hoe
Ny soa tsy mba mateza n'inon'inona kinasa ?
Fa ao am-po mandrakizay
Tiana, Andry, Njara, Rova




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny havanay :
dia niamboho ny Talata 15 Janoary 2008 tany Montigny Les Corneilles Paris FRANCE.
Hoy :
Ny vadiny :
RATOVELO Josiane
Ny zanany :
RATOVELO Michaël
RATOVELO Gaël
RATOVELO Stella
Ny reniny :
RATOVELO Marthe
Ny iray tampo aminy :
RATOVELO Tiana sy Monique ary ny zanany
RANAIVOSON Victor sy Vonimbolana ary ny zanany
RATOVOARISOA Tovo sy Lalatiana ary ny zanany
RANAIVOSON Adam sy Hery ary ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RANDRIANASOLO Celestin mivady ary ny zanany
RAMANANTSOA Josette Françoise mivady ary ny zanany aman-jafiny
RANDRIANASOLO Emmanuel mivady ary ny zanany
RATRIMOARIVONY Georges sy ny zanany
RANDRIANASOLO Yves mivady ary ny zanany
RANDRIANASOLO Fara mivady ary ny zanany
Ny iray tampo amin'ny Rainy
Ny iray tampo amin'ny Reniny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fanafenana ny nofony dia ho lazaina amin'ny andro manaraka.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, no ampandrenesanay anareo ny fahalasanan'ny malalanay :
Hoy,
Ny Vadiny :
RASOARIMANANA Honorine
Ny Zanany :
RAZANANDRAKOTO Hery mivady sy ny zanany
Pasteur RAZANADRAKOTO Mamitiana mivady sy ny zanany
RAZANADRAKO Volatiana mivady sy ny zanany
RAZANADRAKOTO Nirina
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Miarinarivo FINOANA
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Isoavina Ambatomanga
Ny Fokontany Antanambao Avaratra Miarinarivo Itasy
Ny Fokontany Isoavina Ambatomanga
Ny Nofony dia entina hiala ao amin'ny tranony Lot VII A4 Antanambao Nord MIARINARIVO Itasy, ny alakamisy 17 janoary 2008 amin'ny 08 ora maraina , ary hapetraka ao amin'ny fasan-drazany ao Isoavina Ambatomanga ao aorian'ny Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Miarinarivo Finoana, Itasy.
« Ampy ho ahy ny Fahasoavanao »
(II Kor 12 : 9)




Père Sergio
Sorona ho fanorenana
« Izahay Mompera Karma dia mino fa ny rà nalatsak'i Père Sergio, izay Mompera Mpanorina, tonga voalohany teto Madagasikara, ny Fikambanan'ny Mompera Karma, no lasa sorona ao amin'ny fototry ny fanorenana eto Madagasikara. Mitondra fanantenana indray aza iny martiry iny ankehitriny satria tsy maintsy hamokatra be koa ny voa nafafy ». Ireo no mahafehy ny lanonana fitokana niseho tao Moramanga ny sabotsy faha-12 janoary lasa teo.
Nanapa-kevitra ny Mompera Karma fa hanangana trano fivavahana, mitondra ny anaran'ny Père Sergio, any Moramanga. Nampifandraisina ny andro nitokanana ny trano sy ny fahatsiarovana ny namonoana azy. « Ho fanovozana finoana, fanantenana ary fitiavana ho an'izay mandray anjara amin'ny fivavahana, amin'ity trano ity, mba ho lasa fahasoavana noho ny fanilovan'ny fitiavan'Andriamanitra ny fahafatesan'i Père Sergio, tamin'ny fomba mahatsiravina iny », hoy ny Mompera Karma.Mbola manana ny rahalahiny miasa eto Madagasikara i Père Sergio, dia i Père Marcello, curé n'ny Distrika Itaosy. Famantarana izany fa mitohy mandrakariva ny fifandraisan'ny Karma avy any Venise sy ny eto Madagasikara ary sy ny fianakaviana.Misokatra midanadana ho an'izay te-hanandrana an'Andriamanitra ao amin'ny fivavahana ity trano ity. Ato amin'ity trano ity koa no toerana izaran'ny Mompera Karma ny fanomezam-pahasoavana (Charisme) noraisin'izy ireo avy amin'Andriamanitra sy nolovain'izy ireo tamin'ireo olomasina toa an-dry Thérèse d'Avila, St Jean de la Croix, Thérèse de l'Enfant Jésus, Elisabeth de la Trinité sy i P Sergio.....
Ity « Centre spirituel » ity dia handray ny fivoriam-be iraisam-pirenena eo anivon'ny Mompera Karma amin'ny 07-17 Septambra 2008.
Nangonin'i Volana R.




Vaky fasana indray
Taolam-paty miisa 75 no saron'ny zandary
Mahazo vahana ny vaky fasana any amin'ny kominina ambanivohitra Ampanefana, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Araka ny vaovao azo avy an-toerana, dia saiky efa lasibatry ny olon-dratsy avokoa ny ankamaroan'ny fasana rehetra any an-toerana. Tany aloha dia ny zavatra ampiarahana amin'ny maty no misy mandroba : lambamena, firavaka, voninkazo, fitafiana.Amin'izao fotoana izao kosa dia ny taolam-balo mihitsy no alain'ireo mpamaky fasana.
Tamin'ny herinandro lasa teo dia taolam-paty miisa 75 izay milanja eo amin'ny 35 kilao eo ho eo no nisy nahita tany anaty fitoeram-pako, tany anaty kirihitra, tany amin'ny toerana antsoina hoe Mahafinaritra no nanafenana izany taolam-paty izany. Olona nanary fako no nampandre ny fokonolona sy ny zandary ka nijery ifotony ny zava-nisy. Mandeha moa amin'izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon'ny zandary mikasika izany halatra taolam-paty izany. Voalaza fa tamin'ny fasana maromaro no nakàn'ny sasany ireo taolam-balo ireo. Misy moa ireo olona vaky fasana tsy mametraka fitarainana fa mijanona fotsiny amin'izao. Nony nalaza fa nisy taolam-paty tratra tany an-toerana vao nikoropaka nijery ny fasam-piavakaviany avy ny olona ary nanamarina ny razana raha nisy banga. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra izay nahavanon-doza nangalatra izany taolam-paty marobe izany. Taolan-dava avokoa moa ireo hita tany anaty lava-pako ireo.
Mitohy ny famotorana ataon'ny zandary.




Fitoriana vaovao mahafaly
Hiverina an-tsehatra i Klarys
Hiverina an-tsehatra i Klarys amin'ity taona 2008 ity raha tamin'ny volana jona 2000 izy no niakatra an-tsehatra farany tao Antsahamanitra. Toriteny an-kira efa fanaony, miaraka amin'ny mozika mafana no entiny indray hitoriana ny filazantsara. Tsy nipetram-potsiny anefa izy fa niketrika raki-tsary sy raki-kira ahitana hira miisa 6 avy, ankoatry ny hira miisa 60 vita fandraisam-peo. Efa mivoaka eny amin'ny Fuji film eny Talatamaty ireto raki-kira ireto ary ahitana izany koa eny amin'ny « press center » eny Ambondrona ary ao amin'ny Winners Chapelle. Eto Antananarivo sy Fianarantsoa ary Ambositra no efa misy ireo sangan'asa ireo, ankoatry ny nalefa any afrika atsimo. Nandritra ny dian'i Klarys, nanao fitoriana vaovao mahafaly tany Nigeria tamin'ny taona 2004 no nahatsapany fa resy lahatra amin'ny sangan'asany ny Afrikana ka nataony tanjona amin'ity taona 2008 ity ny hamadihana ny tononkira ho teny anglisy. Voamarika rahateo fa maro ny gadona afrikana ao anatin'ny raki-kira. Ankoatry ny fitetezan'i Klarys fiangonana eto Madagasikara, dia hisantarany ny seho an-tsehatra ny datin'ny 8 martsa 2008, andron'ny vehivavy eran-tany io ka hitondra amboaran-kiram-piderana ho an'ireo vehivavy eran-tany ao amin'ny ROXY ny tenany. Ny faran'ny taona kosa dia ho ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina. « Aza matahotra » no lohatenin'ireto rakikira ireto ka ny raki-tsary dia andiany faharoa ary ny raki-kira dia andiany faha 6.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, no ampandrenesanay anareo ny fahalasanan'ny malalanay :
Hoy,
Ny Vadiny :
RASOARIMANANA Honorine
Ny Zanany :
RAZANANDRAKOTO Hery mivady sy ny zanany
Pasteur RAZANADRAKOTO Mamitiana mivady sy ny zanany
RAZANADRAKO Volatiana mivady sy ny zanany
RAZANADRAKOTO Nirina
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Miarinarivo FINOANA
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Isoavina Ambatomanga
Ny Fokontany Antanambao Avaratra Miarinarivo Itasy
Ny Fokontany Isoavina Ambatomanga
Ny Nofony dia entina hiala ao amin'ny tranony Lot VII A4 Antanambao Nord MIARINARIVO Itasy, ny alakamisy 17 janoary 2008 amin'ny 08 ora maraina , ary hapetraka ao amin'ny fasan-drazany ao Isoavina Ambatomanga ao aorian'ny Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Miarinarivo Finoana, Itasy.
« Ampy ho ahy ny Fahasoavanao »
(II Kor 12 : 9)




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia niamboho ny Talata 15 Janoary 2008 tany Montigny Les Cormeilles Paris France.
Hoy,
Ny vadiny :
RATOVELO Josiane
Ny zanany :
RATOVELO Michaël
RATOVELO Gaël
RATOVELO Stella
Ny reniny :
RATOVELO Marthe
Ny iray tampo aminy :
RATOVELO Tiana sy Monique ary ny zanany
RANAIVOSON Victor sy Vonimbolana ary ny zanany
RATOVOARISOA Tovo sy Lalatiana ary ny zanany
RANAIVOSON Adam sy Hery ary ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RANDRIANASOLO Célestin mivady ary ny zanany
RAMANANTSOA Josette Françoise mivady ary ny zanany aman-jafiny
RANDRIANASOLO Emmanuel mivady ary ny zanany
RATRIMOARIVONY Georges sy ny zanany
RANDRIANASOLO Yves mivady ary ny zanany
RANDRIANASOLO Fara mivady ary ny zanany
Ny iray tampo amin'ny rainy :
Terak'Itompokolahy RATOVOARIVELO
Terak'Itompokolahy RAKOTONDRAZAKA
Ny iray tampo amin'ny Reniny :
Terak'Itompokolahy RANDRIAMBOLOLONA
Ny havany :
Terak'Itompokolahy RATOVELO sy Itompokovavy RASOAZANANORO
Terak'Itompokolahy RANAIVO Emmanuel sy Itompokovavy RAZAFINDRASOA
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Paris
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Anosimanjaka ho an'i Kristy
Ny EKAR Notre Dame de Lourdes Anosimanjaka
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ampefiloha
Ny Fifohazana Anosimanjaka
Ny Zana-dRanavalona Anosimanjaka
Ny Fokontany Anosimanjaka
Ny Fokontany Antaniavo Antanimena
Ny nofony dia ho tonga eny Ivato ny sabotsy 19 Janoary 2008 amin'ny 5 ora sy sasany maraina . Ary hoentina eny Anosimanjaka hiaretan-tory. Ny fanafenana ny nofony dia ny Alatsinainy 21 Janoary 2008 ao Anosimanjaka ihany aorian'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Anosimanjaka ho an'i Kristy amin'ny 2 ora sy sasany .
« Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika »
(I Kor. 15 : 19)
Antanimena Antaniavo
Lalana, Albert Razafinjoany Lot III F 7 Bis




Ny Filohan'ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana
Ny Mpanolotsaim-pirenena momba ny Fifidianana
Ny Mpikambana ao amin'ireo Biraom-pifandraisan' ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana
Ny Mpitantsoratra maharitra sy ny Mpandraharaha ao amin'ny Mpitantsora-draharaham-panjakana maharitra ao amin'ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana dia mampandre anareo amin'ny alahelo lehibe fa :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy tamin'ny talata 15 janoary 2008.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony lot M1A 27 Miadana Ambohitrimanjaka ny zoma 18 Janoary 2008 amin'ny 8 ora maraina ary ho entina hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra ao amin'ny fiangonana FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka alohan'ny hitondrana azy any an- tanindrazana Ambohimahazo, Distrikan' i Manandriana.




Totozy an-davenona
Sempotra tanteraka ny ankamaroan'ny tokatrano Malagasy amin'izao, mahita ny fihazakazaky ny sondrom-bidim-piainana, indrindra taorian'ireny fiakaran'ny vidin'ny solika teto amintsika ireny. Tsy nahita fahasarotana tahaka izao hoy ny mpitazana, eny fa na dia tamin'ny taona 2002 izay nahatratra hatrany amin'ny 6000 ariary ny vidin'ny solika tamin'izany, kanefa tsy tafakatra toy izao ny kilaom-bary sy ny hena. Ny saran-dàlana anefa dia niakatra raha ny ivelan'Antanananarivo no asian-teny. Mazava ho azy fa raha ny ankehitrio no asian-dresaka dia misy ihany koa ny fanarararaotana ataon'ny olona sasany izay mihevitra ny hanam-be ka tsy mijery ny vokatry ny sondrom-bidy izay ataony. Toy ny totozy an-davenona ihany anefa isika ka ho sempotry ny ataony, satria dia hifaninana ny hampiakatra ny entana amidiny ny eny an-tsena. Tsy ny olona efa manana mihitsy ny hizaka ny vokany, fa ny madinika hatrany, ary hipetraka hatrany ny elanelana eo amin'ny manana sy ny mahantra satria ny karama mba nanampian'ny fanjakana ny azy ireny dia 10% monja. Saintsaino ny karama farany ambany eto, koa fahantrana inona no ho afaka amin'izao ? Miasa tsara dia miasa mafy hoy ny mpitondra, saingy mbola hanana risi-po ve ny vahoaka raha toy izao hatrany no vokatry ny hatsembohany ? Dia samia velon'aina ary mahereza, fa tsy hay intsony izay hiafarantsika fa dia minoa fotsiny ihany e.




Alan'ny Mikea
Hazo sarobidy miisa 600 no nisy nitrandraka
Nahazo vahana ny fitrandrahana hazo sarobidy tamin'ny faritra maro teto amin'ny Nosy tato ho ato.
Tsy tany amin'ny faritra avaratry ny Nosy ihany fa tany amin'ny Atsimon'ny Nosy ihany koa. Tamin'ny herinandro lasa teo dia hazo sarobidy antsoina hoe « vory » no tratran'ny tompon'andraikitra tao amin'ny ANGAP, tany amin'ny tanàna antsoina hoe Andiky, tsy lavitra an'Ankililaoka.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia maty ny kamiao nitondra ireto hazo ireto, izay saika hamidy any Toliary, ka nisy nahatsikaritra. Olona nokaramaina avokoa moa no tao anatin'ilay kamiao fa ny tompon'ny entana kosa niandry tany Toliary. Nony nosavain'ny mpitandro filaminana sy ny tompon'andraikitra tao amin'ny ANGAP moa ny antontan-taratasy mikasika ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy dia tsy nisy na iray azy fa nentina an-tsokosoko. Tany amin'ny 77 km teo ho eo tsy hahatongavana an'i Toliary moa no nahafaty ilay kamiao. Voalaza fa hazo nalaina tao amin'ny alan'ny Mikea ireo notrandrahana ireo. Hazo izay fantatra fa tsy azo trandrahana intsony satria mitady ho lany tamingana. Notanan'ny ANGAP avy hatrany ireo hazo sarobidy ary mandeha ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana. Araka ny vaovao voaray, dia manamboninahitra iray ao anivon'ny zandarimariam-pirenena no tompon'izany hazo sarobidy izany. Tsy ho ela moa dia hatolotra ny fitsarana ny raharaha.




Holafitry ny mpanao gazety
Tsy handray anjara ny AJRP
Mifantoka betsaka any amin'izay hitantanana ny holafitry ny mpanao gazety ny ankamaroan'ny sain'ny maro, indrindra izay ho filohany hitondra azy mandritra ny telo taona. Rahoviana ihany koa ny tena daty marina hanatanterahina azy sy ny hikarakara izany fifidianana izany, satria maro ny mpanao gazety mitaky ny mba sehatra tsy miankina no hanomana io fifidianana io. Manoloana izany dia fantatra fa tsy handrotsaka olona ary tsy hanohana olona ho amin'izay ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety ny fikambanan'ny mpanao gazety amin'ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara "AJRP". Ny antony dia mba hitandroana ny mety hisian'ny disadisa eo amin'ny samy mpikambana, saingy malalaka kosa ny mpikambana tsirairay amin'izay olona ho tohanany na hilatsaka ao amin'izany birao izany izy ireo. Nambaran'ny filohan'ny AJRP Soava Andrimarotafika ihany koa fa zon'ny tsirairay ny mirotsaka, fa ny anaran'ny fikambanana no tsy azo entina.




Lehiben'ny faritra
Atao toerana fianarana asa ve ?
Nandritra ny filankevitry ministry voalohany teo no nilazan'ny filoham-pirenena fa ho soloiny izay tsy mahavita azy, ary ho hita eo izay faritra tratra aoriana. Mazava ho azy fa olona tsy mahavita ve mbola hampetraka amin'ny toerany nefa ny asa ilain'ny vahoaka isaky ny faritra maika. Raha atao indray mijery io, dia toa toerana fianarana asa ny tahaka izany, satria angaha tsy fantatra amin'ny fahaizany mialoha ireny olona ireny ? Tsaroan-tsika tsara fa nisy mihitsy tany aloha tany ny fandefasana olom-panjakana ambony niofana tany ivelany, kanefa afaka volana vitsy dia noesorina tamin'ny toerany izy ireny. Volam-panjakana no nandefasana azy ireo ho any ivelany, saingy tsy nahafam-po ny asa natao dia ireny novaina matetika ireny. Ho lany andro hanova eto isika, raha toa ka tsy tena mipetraka ao amin'ny tsirairay ny finihavana hampandroso ny faritra isan'isany ; ka hifanondro molotra lava eto. Manantena isika fa olona ahavita azy ireo nomen'ny filoha sehatra ireo, ary ny mpanohitra ihany koa io efa mangina io, ka mba ahay hifanome tanana ny rehetra, fa tsy ny mpitarika indray ny handeha hampianarina asa.




Sitrak'Andriamanitra ny niantso ny mpanompony
ny Alarobia 16 Janoary 2008 teo amin'ny faha-87 taonany sy faha-70 taona naha-relijiozy ary faha-57 taona naha-pretra azyVikera Jeneralin'ny Diôsezin'Antananarivo izy amin'ny taona 1967 - 1969
Hoy :
Son Excellence Mgr Odon M. A. RAZANAKOLONA, Arsevekan'Antananarivo
Son Excellence Mgr Augustine Kasuja, Nonce Apostolique
Son Excellence Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA, Eveka Mpanampy
Révérend Père Ludovic RABENATOANDRO, Vicaire Général
Révérend Père Jean Romain RAFANAMBINANA SJ, Provincial sy ny Fikambanan'i Jesoa eto Madagasikara
Révérend Père Elio Sciuchetti, SJ, Curé sy ny Kristianina Paroasy Md Filipo sy Zaka Tanjombato
Ny Kristianina amin'ny Distrikan'ny Tanjombato
Ny Communauté Jésuite Saint Régis niainany
Ireo Fiangonana sy Paroasy niasany ao amin'ny Diosezin'Antananarivo sy Toliary, Ambatolampy, Ambohimiadana, Antanimena, Bezaha, Belamoty, Analamahitsy, Faravohitra, Ambiatibe, Amborompotsy ary Tanjombato.
Ny razana dia andrasana ao amin'ny P aroasy Md Filipo sy Zaka Tanjombato . Ny Sorona Masina fandevenana dia atao ny Sabotsy 19 Janvier 2008 amin'ny 12 ora sy sasany ao amin'ny EKAR Tanjombato , alohan'ny hitondrana azy eny amin'ny fasan'ny Relijiozy eny Ambohimpanja, Ilafy.
« Tonga ny fotoana, tsy maintsy mandeha aho »
(Mk 14, 41 - 42)




Ny zanany :
RAZAFINDRATSITOHAINA Honoré sy Laurence
RABE Norbert sy Nathalie
RASAMOELA Seta Bertrand sy Lala
RAMARINJANAHARY Andriamanantena sy Gertrude
RANDRIANANTENAINA Paulin sy Beby
RAZAFINDRATSITA Désiré sy Lalao
RAMANITRARIVO Roger sy Noëline
RAOILY Janson sy Rosalie
RAZAFlNDRATSITA Dieudonné sy Fara
RAZAFlNDRATSITA Raphaelle Baovola
SIAD Michel sy Solofolalao
RAZAFlNDRATSITA Ihaja sy Cathy
Ny zafiny, ny zafiafiny ary ny fianakaviana manontolo
dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno antsika rehetra : havana, tapaka sy namana, mpiara-monina tonga nidodododo nampahery sy nanotrona ny fianakaviana, tamin'ny namoizany ny reniny, renibeny :
nodimandry ny Alarobia 09 Janoary 2008.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hamaly fitia anareo.
Ialan-tsiny indrindra ho an'izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Région du Melaky
Un consul au coaching
Si les autres régions sont coachées par des membres du gouvernement, la région Melaky ne l'est pas.
Le président de la République a désigné le consul général de Madagascar à Cap Town Rafatrolaza Bary Emmanuel, ancien député du district de Kandreho pour coacher cette région. Rafatrolaza Bary Emmanuel succède ainsi à Philemon Rabarison (ancien ministres des Sports) qui a coaché la région du Melaky durant son « passage » au sein du gouvernement. La première action du consul coach qu'il a conjointement menée avec le chef de l'Etat a été d'organiser pour le chef de région et quelques maires de la région un voyage en Afrique du Sud.
Le voyage était certes privé selon Ambohitsorohitra, mais il a été instructif pour ces résponsables régionaux et communaux. Le développement de la région du Melaky reste cependant impossible tant que l'insécurité continue de sévir dans cette partie de l'île.
Le consul coach y trouvera-t-il des solutions ?




Radio Don Bosco
Nofoanan'ny fanjakana ny fandaharana « Karajia »
Nofoanan'ny minisiteran'ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin'ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina hatramin'ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain'ny talen'ity radio tsy miankina amin'ny fanjakana ity dia tamin'ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana « Karajia » ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon'andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon'ny mpihaino izay naneho ny heviny ka nitaona ny olona ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mai no antony satria voalaza fa manohintohina ny filaminana. Mihevitra anefa ny talen'ny radio fa resaka azo nifandaminana izany, alohan'ny fanapahan-kevitra nampiatoana ny fandaharana, koa mbola hikaroka izay marimaritra iraisana ny tompon'andraikitra.
Manazava ny ministra
Raha nanontaniana kosa Atoa Bruno Andriantavison, minisitry ny Fifandraisana, dia nilaza izy fa tsy izy mihitsy no hanapa-kevitra irery fa efa nisy ny fampahatsiahivana maromaro nalefa tany amin'ny tompon'andraikitr'io radio io.Ary efa nihaona tamin'ny lehiben'io radio io mihitsy aho nampahafantatra azy ny ahiahy ; nefa moa dia toa ireny ny fandehan'ny raharaha ka naato io fandaharana io. Nomarihin'ny minisitra moa fa raha vantany vao nahazo ilay fampiatoana ny talen'ny famoahana dia nangataka fihaonana taminy.
« Tsy nifankaiza tamin'ny tao amin'ny « Savaravina »
Omaly maraina ihany dia namory ny mpikambana ao aminy ny filohan'ny AJRP, fikambanan'ny onjam-peo tsy miankina amin'ny fanjakana eto Madagasikara, atoa Soava Andriamarotafika ka nanambara fa tsy mifanalavitra amin'ny antso an-tsariby nataon'ny mpihaino ny radiom-pirenena nandritra ny fandaharana « Savaravina » ny teny nataon'ny mpihaino tao amin'ny karajia. Atoa Manandafy no vahinin'ny RNM tamin'ny herin'ny alahady ka nisy mpihaino niangavy ity vahiny ity mba hitaona ny olona ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mai. Samy fahadisoam-panantenana eo amin'ny mpitondra fanjakana no antony nipoiran'ireo feon'ny mpihaino ireo, koa nahoana no tsy tamin'izany no namoahana ny didy ?. Manoloana izany hoy ny fikambanan'ny onjam-peo tsy miankina dia miantso ny minisiteran'ny fifandraisana mba hanafoana io didy fampiatoana fandaharana io. Nambaran'izy ireo ihany koa fa fanohintohinana sahady ny asa fanaovan-gazety indray ity miseho ity.
Ny tsara marihana dia nitaiza ny vahoaka manontolo ity fandaharana « Karajia » ity indrindra ny lafiny ara-tsosialy, saingy na dia nalalaka aza ny fidirana antso an-tariby dia mba niezaka kosa ny mpiantso ny hifanaja ary dia azo lazaina fa ny naha matotra ity fandaharana ity no tsy zakan'ny fanjakana. Raha tsy izay dia tokony hiomana koa ny fandaharana « Kidaona maraina amin'ny RTA sy radio TANA » fa manao sangisangy zary tenany.
Tsy ny mpanao gazety intsony eto no teritery fa ny vahoaka mpankafy ny fandaharana mihitsy. Nefa anie ka betsaka ihany koa ny mpiantso manasohaso sy mamely mafy ny mpanohitra amin'ireny antso ireny e ! Saingy taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna dia niha mafy ny fiainana ka nitombo ireo mpanakiana ny fanjakana, hany ka tsy te hihaino intsony ry zareo...
Misy mpanararaotra
Ankolafin'ny mpihaino io fandaharan'ny RDB io kosa dia misintona ny saina amin'ny mety hahalasa ho fitaovana an'io fandaharana io ka mety nahatonga izao fanapaha-kevitra izao. Notsiahiviny tamin'izany ny « Radio des Miles Collines » tao Rwanda na dia tsy izany mihitsy aza ny votoatin'ny fandaharana « Karajia ». Saingy tsy mety ho fitaovana politika ihany koa mba hanomanana ny sain'ny olona amin'izay zava-kinendry hoy ireto an-kolafiny ireto.
Ny marina aloha dia voaelingelina ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao. Ary isan'ny voa mafy ihany koa ny mpihaino sy mpankafy ny fandaharana satria tsy afaka intsony maneho ny heviny an-kalalahana noho ny fanararaotana ataon'ny mpanao politika sasantsasany.
Raha nanontaniana moa ny minisitra ny amin'ny mety ho tohin'izao raharaha izao raha hiafara amin'ny fanakatonana mihitsy ny RDB, dia nilaza an-kolaka fa tsy ny hanakatona no tanjona fa ny fifampitaizana.
=======================
« 13 Mai no nahazoana fahefana »
Naneho ny alahelony ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand, tamin'ny nanafoanan'ny fanjakana ny « karajia » tao amin'ny RDB nanomboka omaly. Resaka nataon'ny mpihaino izay milaza fa tokony hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mai no anton'io fanafoanana fandaharahana izay handraisan'ny mpihaino anjara mivantana amin'ny antso an-tarobia.
« Nahoana no ferana tsy hilaza izany ny vahoaka », hoy ity manam-boninahitra tao amin'ny tafika ity, « satria ny fidinana teo amin'io kianja io ihany anie no nahazoana izao fanjakana izao . Mihemotra tanteraka ny demokrasia eto amintsika », hoy izy, « ka mba aiza indray no hanehoan'ny olona ny heviny raha toa ka izay toerana mba ahafahany maneho ny heviny no foanana tahaka izao. Hanao ahoana ny hoavin'ny asa fanaovan-gazety raha toy izao foana no mitranga ? »
Momba ny fanendrena sefom-pokontany izay ataon'ny « Prefet de police » dia nanehoan'ity PDS teo aloha ity ny heviny, izay toa midika endrika sakana ho an'ny ben'ny tanàna Andry TGV. « Ny ben'ny tanàna no mahafantatra izay olona afaka hiara-miasa aminy, nefa tsy avela hanao izany izy. Teo aloha anefa dia nomena sehatra malalaka ny ben'ny tanàna teto hanendry io sefom-pokontany io.Tsy mahatoky ny heriny intsony ve ny fitondrana no manao izao », hoy ingahy Razakarimanana namarana ny resany raha nihaona fohy tamin'ny mpanao gazety omaly.




Raiso ny fepetra
Tora-kovitra tanteraka ny mpiompy omby any Moramanga mahita ny aretina izay mihanaka mandripaka ity biby sarobidy amin'ny Malagasy ity. Amampolony maro no efa maty, ary nalevina avy hatrany izay maty, na dia maro aza ireo mpiompy no mitady hivarotra ny omby matin'aretina. Efa nisy ny fitiliana ity aretina mandripaka any Moramanga ity izay atao eto Antananarivo, saingy mandra-piandry izany dia tokony hisy fepetra haingana raisin'ny fanjakana mba tsy hiparitahan'io any amin'ny faritra hafa. Ahiana hianaka toy ny gripam-borona izy ity raha tsy voavonjy haingana indrindra ny fanomezana fanafody ireo omby ireo. Ny fanaraha-maso ny hena omby amidy eny antsena dia tokony ho hentitra ireo veterinera, mba tsy ho sanatria hifindra amin'ny olona indray ny fahavoazana ka izay vao ahita loza eto isika mianakavy. Izay tsy ripaky dahalo izany ny omby, dia ripaky ny aretina, ary azo heverina fa hiena ny risi-po eo amin'ny tantsaha raha raha mitohy ny faty antoka lava mahazo azy ireo.




Ny zanany :
RAZAFINDRATSITOHAINA Honoré sy Laurence
RABE Norbert sy Nathalie
RASAMOELA Seta Bertrand sy Lala
RAMARINJANAHARY Andriamanantena sy Gertrude
RANDRIANANTENAINA Paulin sy Beby
RAZAFINDRATSITA Désiré sy Lalao
RAMANITRARIVO Roger sy Noëline
RAOILY Janson sy Rosalie
RAZAFlNDRATSITA Dieudonné sy Fara
RAZAFlNDRATSITA Raphaelle Baovola
SIAD Michel sy Solofolalao
RAZAFlNDRATSITA Ihaja sy Cathy
Ny zafiny, ny zafiafiny ary ny fianakaviana manontolo
dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno antsika rehetra : havana, tapaka sy namana, mpiara-monina tonga nidodododo nampahery sy nanotrona ny fianakaviana, tamin'ny namoizany ny reniny, renibeny :
nodimandry ny Alarobia 09 Janoary 2008.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hamaly fitia anareo.
Ialan-tsiny indrindra ho an'izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Tsy maty ao am-ponay ny fahatsiarovanao.
Mandria am-piadanana.
Sissi vadinao, Nathalie sy Serge zanakao.
« Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin' ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an' i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin' ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo »
(ROMANA 8, 11)




Raiso ny lesona
Nanomboka omaly ny CAN 2008 izay atao any Ghana ka handraisan'ny firenena maro aty Afrika anjara. Mivantana eto Madagasikara io, izay hisaorana ny fanjakana Malagasy tsy nanao ambanin-javatra io lalao io ho an'ny mponina rehetra eto amin'ity nosy ity. Ekipa heverina fa manana ny maha izy azy avokoa ireo, ka rariny raha mba hahay haka lesona amin'ny fomba filalaony isika eto antoerana. Eo ny teknika, eo ihany koa ny fomba fanomanana ny lalao goavana toy izao.
Firy volana, firy taona no hamondronana ny mpilalao raha hiatrika lalao goavana toy itony ny firenena iray, ary ny vatsy omena azy ireo mba manao ahoana ? Ny any ivelany dia raisina ho toy ny raharaham-pirenena ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena, ary dia mahita fahombiazana rehefa izay no mitoetra. Isan'ny vokatra tsara azon'ny firenena Malagasy ny lalaon'ny nosy iny taona lasa iny, koa raha hiatrika lalao ny Barean'i Madagasikara afaka volana vitsy, tokony efa homanina izao sahady ny fampivondronana ny hery ? Efa nasiana resaka teto io, fa ny hamerenana izany, dia mba hahay haka lesona amin'ity CAN nanomboka omaly ity, na ny mpilalao, ary eo ihany koa ny federasiona sy ny fanjakana, mba tsy hifanome tsiny lava eto isika. Koa raiso ny lesona hanarenana ny ekipantsika, fa zara aza nahazo mivantana ity CAN ity isika eto Madagasikara.




Ambanidia
Maty voatifitry ny polisy i Tita
Nirefotra antoandrobe indray ny basy tetsy Ambanidia, tamin'ny sabotsy lasa teo. Jiolahy iray nokarohan'ny polisy hatramin'ny ela, fantatra amin'ny anarana hoe Tita no maty voatifitra. Tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any no nitrangan'ity toe-javatra ity, teo akaikin'ny fiangonana katolika etsy Ambanidia. Tamin'ny ora izay nahabe ny mpandalo sy ny fiara nifamoivoy ka nihoron-koditra ny olona nandre ny poa-basy antoandrobe. Misy inona indray ? Iza indray no voatifitra ? Hay moa ka jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ary tafiditra ao anatin'ny fikamban-jiolahy i Tita. Nandray anjara tamin'ny fanafihana maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ary mbola saika hanao « opération » izy, ny asabotsy lasa teo no nifanehatra tamin'ny polisin'ny GIR (Groupe d'Intervention Rapide) avy etsy Tsaralalàna. Voatifitra teo amin'ny tanany i Tita ary namoy ny ainy teo noho eo. Nisy namany niaraka taminy moa saingy tafaporitsaka.
Araka ny fanampim-baovao azonay dia anisan'ireo jiolahy nitifitra polisy roa tetsy Andravoahangy i Tita tamin'ny taon-dasa iny. Efa nisy holatra ihany koa ny kibony noho izy voatifitry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria Ambohijatovo saingy tafatsoaka izy tamin'izay fotoana izay. Naman-dry Charles kely, izay jiolahy nikoizana efa any am-ponjan'i Tsiafahy moa i Tita. Efa naterina any amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny fatiny miandry ny fianakaviany.
Tato anatin'ny herinandro izao dia nahazo vahana ny fifampitifirana teo amin'ny polisy sy ny jiolahy, ary dia nisy hatrany ny namoy ny ainy tamin'izany. Asa aloha raha valifaty izany na fifandrifian-javatra. Ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha fanafihana polisy tetsy Antsalovana-Antohomadinika moa dia efa 16 no voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.




Sitraky ny Tompo ny niantsoan' ny Mpanompony :
Ny Sabotsy 19 Janoary 2008 rehefa nivahiny 55 taona teto an-tany.
Hoy :
Ny vadiny : RAKOTOSON RANDRIANTSOA Marie Thérèse
Ny Zanany :
RANDRIAKOTO Mandavololona Saholiarisoa sy RAKOTONDRAMBOA Herintsoa Christophe
SOAVOLOLONA Lova Nomena
RAKOTOSON Larissa Maresa Kézia
Ny Zafiny : RAKOTONDRAMBOA Meva Andie Christelle
Ny Reniny :
Mme Veuve RAKOTOSON Perline
Ny Iray tam-po aminy :
RAKOTOSON Désiré sy Lalaina sy ny zanaka aman-jafiny (France)
RAKOTOTIANA Albert sy Zoé sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOSON Roger sy Charline sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOSON Honoré sy Marthe sy ny zanany
RANDRIANISASON Jean Claude sy Lalie sy ny zanany
RAKOTOSON Hervé sy Rachelle sy ny zanany
RANDRlAMBOLOLONA Michel sy Ihanitra sy ny zanany
RASOANAIVO Robert sy Tiana sy ny zanany (France)
Ny Iray tam-po amin'ny vadiny :
Mme Veuve RANDRIANTSOA Lala sy ny zanaka aman-jafiny
RAZANATSOA Marguerite Marie
RANDRIANTSOA Robert sy ny zanaka aman-jafiny
RANDRIANTSOA Victor sy ny zanany
RAZAFIMBOLOLONA Françoise
RANDRIANTSOA Jean Aurelien mivady sy ny zanany
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpiara-miasa ao amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina (MSLP)
Ny Mpiara-miasa ao amin'ny Minisiteran'ny Tetibola
Ny Fikambanana FITERARA AIatsinainy Ambazaha
Ny Fikambanana VELOSOANJAFY Imerikasinina
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM KRISTY FAHAZAVANA Ankorombe sy ny zanam-piangonana
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FLM 67 Ha
EKAR Notre Dame de Mont Carmel Ambohidrazana Imerikasinina
Ny Fokontany Faliarivo Ambanidia
Ny Fokontany Ambatobe
Ny Fokontany Ankorombe
Ny razana dia entina hiala ao amin'ny trano LOT II N 18 E Cité Ambatobe (akaikin'ny Fiangonana M.E.T.M) ny Alatsinainy 21 Janoary amin' ny 12 ora sy sasany ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Kristy Fahazavana Ankorombe alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Antongombato Ankorombe Talata Volonondry.
« Misaora amin'ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin i Kristy Jesosy ho anareo ».
(l Tes : 5/18)
« Fa raha mbola hisy koa ny farany,
Dia tsy ho foana ny fanantenanao ».
(Oha : 23/18)




Miposaka any antsinanana
Rehefa tratrin'ny ankivy ara-politika nandritra ny taona maro ny tao Toamasina, dia mihazakazaka kosa ny fampandrosoana atao any amin'io faritra io ankehitriny. Ho vitaina ny làlana ao an-tampon-tanana, ho esorina ny fako, ary hamboarina ny lapan'ny tanàna. Toy izany ny seranan-tsambo izay heverina fa ho isan'ny lehibe indrindra aty amin'ny ranomasim-be Indiana. « Ho renivohitry ny ara-toekarena i Toamasina », hoy ny filoha Ravalomanana, ary nihazakazahan'ny mpitondra fanjakana tao anatin'ny andro vitsy ity faritra ity, satria maika ny hampandrosoana an'i Toamasina. Tsara ny fanapahan-kevitra ary azo lazaina fa izay vao tena miposaka avy any antsinanana ny masoandro vao maraina ary hita fa tena ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity. Mba hanao ahoana ny eto andrenivohitra, izay hita fa toa mihisatra ny asa raha mitaha amin'ny Toamasina ? Fifaninana masina ny fampandroana ny tanàna tahaka izao, ary enga anie mba tsy hisy intsony ny fanaovana sorona ny tanàna sy ny vahoaka rehefa olona tsy mitovy firehana no mitantanana tanàna, toy ny tany Fianarantsoa sy Toamasina teo aloha.




Fitifirana zandary tany Betsinjaka-Toliary
Hotsaraina anio ireo olona roa voarohirohy
Hiakatra fitsarana anio ilay raharaha fitifirana zandary tany amin'ny fokontany Ambolofoty, kominina Betsinjaka, distrikan'i Toliary II, tamin'ny alin'ny 26 desambra lasa teo. Miaramila iray sy sivily iray moa no voarohirohy tamin'izao fikasana hamono olona izao.
Tsiahivina fa tamin'io alin'ny 26 desambra io dia nanao « jado » (fiambenana sy fiarovana ny tanàna) ny vatan-dehilahy tao an-tanàna, izay fomba amam-panao eo anivon'ny kominina mba hisorohana ny asan-jiolahy. Araka ny dina mifehy ny « jado » moa dia tsy maintsy miambina miaraka amin'ny fokonolona izay olona mivezivezy amin'ny alina kanefa tsy manana karatra ary tsy avela manohy ny diany.
Tamin'ny fiambenana nataon'ireo ampahany amin'ny jado dia nifanena tamin'ny fiara P.405 ry zareo. Tsy navelan'ireo jado nanohy ny diany ilay fiara izay nitondra olona enina. mamo rahateo ihany koa, araka ny vaovao azonay, ireo olona tao anatin'io fiara io. NIla vaniny tamin'ireo « jado » moa ireo olona tao anatin'ilay fiara ary niafara tamin'ny famoahana basy mihitsy izany.
Raikitra ny fifamaliana teo amin'ny an-daniny sy ny an-kilany. Niezaka nandamina ity zandary iray, izay nanao fanamiana sivily, ary tsy nitonona ho zandary saingy indrisy fa basy no setrin'izany. Niezaka niaro ny tenany ilay zandary saingy niantefa tany akaikin'ny fony ny bala. Voa mafy tokoa ilay zandary ary hatramin'izao fotoana izao dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny fahasalamany. Voatery nodidiana mihitsy moa izy nanesorana ny bala tao anatin'ny vatany.
Ilay olona nitifitra moa dia fantatra fa vinanto-na kolonely ary miaramila miasa any Toliary no niaraka aminy teo aloha, izay samy nila herisetra tamin'ireo « jado ». Notanana am-ponja izy roa lahy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana izay hatao anio. Ankoatr'ireo dia vehivavy roa hafa ihany koa voarohirohy tamin'izao raharaha izao. Ny iray tamin'ireo vehivavy ireo moa no tompon'ny basy. Zanaka kolonely ity vehivavy ity. Ireo olona voarohirohy moa dia samy niaiky ny fahadisoan'izy ireo. Ho hitantsika eo ihany moa izay ho tohin'ity raharaha ity.




Radio nakatona tao Toamasina
Efa naverina ve ireo fitaovana nogiazana ?
Fanapahan-kevitra nahafaly ny maro ny namerenan'ny ministry ny filazam-baovao Bruno Andriantavison ny hisokafan'ireo radio miisa telo nakatona taona maro lasa izay tao Toamasina. Ny fisian'ny tsy fanarahan-dalàna no isan'ny nanakatonana ireto radio ireto, ary tsaroan'ny rehetra tsara fa isan'ny nogiazana niaraka tamin'ny fanakatoanana ireto radio ireto ireo fitaovana tao amin'ny radio sasany tany Toamasina. Ny fikambanan'ny mpanao gazety amin'ny onjam-peo tsy miankina AJRP dia naneho ny fahavononany hanaja ny fitsipika mifehy ny haino aman-jery eto amintsika. Maniry ihany koa ny hisokafan'ilay radio iray izay nakatona any Toliary satria mpiasa maro no mivelona amin'itony radio itony. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe amin'izao fisokafan'ireto radio ireto izao moa ve naverina niaraka tamin'izany ireo fitaovana mampiodina izany radio izany izy nogiazina tamin'ny fotoan'androny, sa ahoana ? Tsara ny milaza fa nasian'ny ministry ny Filazam-baovao resaka ihany koa ny momba ny nanafoanana ny fandaharana amin'ny RDB izay namafisiny fa tsy ny radio no nakatona fa ny fandaharana, ary efa nomena fampitandremana amin'ireo olona miditra mivantana amin'ny antso an-tariby izay manohitohina ny filaminam-bahoaka kanefa mbola nahitana fihoaram-pefy ihany. Nampitandrina ireo radio rehetra mikasika ireny antson'ny mpihaino ireny ihany koa ny ministra mba ho mailo sao hisehoan'ny trangan-javatra toy ny tao amin'ity RDB ity. Nandritra ny fihaonana nataon'ny ministra Andriantavison tamin'ny mpanao gazety tany Toamasina omaly no nanazavany ireo.




Vaovao tapatapany
Fifidianana : Nahazo hery ny mpanohitra
Hiatrika fifidianana indray ny firenena Malagasy ny volana marsa izao izay hanomboka amin'ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaina ny faritra. Efa voafaritra tao anatin'ny filan-kevitry ny Governemanta ny zoma lasa teo ny isan'ny olona ho fidiana isaky ny faritra ary toy izany koa ny daty hanatanterahina io fifidianana io. Ho an'ny mpanohitra dia hita ho nahazo hery izy ireo taorian'ny nahazoan'ny TGV ny fandresena teto andrenivohitra farany teo iny, saingy mbola malailay fonosana kely ry zareo ny handraisana anjara amin'io fifidianana io. Asa na tsy mahatoky tena, na ny fepetra entina manatanteraka ny fifidianana no tsy laitran'ny sasany. Mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto na handray anjara izy ireo na tsia.
======================
Mahajanga : Solika halatra 130 litatra no saron'ny ZP
Nisy naka an-tsokosoko ny solika tamin'ny « jerrycans » tao amin'ny orinasa iray, tsy lavitra ny seranan-tsambon'i Mahajanga. Nametraka fitarainana tany amin'ny borigadin'ny ZP ny tompon'andraikitra tao amin'ny orinasa. Nandeha ny fikarohana ka tany amin'ny orinasa iray izay tsy lavitra ny seranan-tsambo ihany no nahitana ireo solika, tao anaty « jerricans » miisa 30, ary mihaty eo amin'ny 130 litatra eo ho eo. Olona efatra no voarohirohy tamin'izany halatra solika izany ka mpiasa tao amin'ilay orinasa ny iray ary olona ivelany ny roa. Tsy ho ela dia hatolotra ny fampanoavana ireo olona ireo.
======================
Zana-dRanavalona : Hiroso amin'ny bileta tokana
« Azo atao tsara ny fanaovana ny bileta tokana eto amintsika ary izahay zana-dRanavalona no hampihatra io voalohany eto Madagasikara ». Io no nambaran'ingahy Solofoniaina na i Lolo izay isan'ny kandida hilatsaka ho fidiana ho filohan'ity fikambanana ity amin'ny alahady ho avy izao. « Tsy sanatria manome lesona ny fanjakana izahay raha manao izany, fa kosa heverina fa lalana iray tokony ho atao rehefa hita ny maha-tsara izany ». Inona tokoa moa no maha-ratsy ny fidirana amin'ny bileta tokana tahaka izao ?




Toamasina I sy II
Mirongatra ny parasy lafrika
Taorian'ny fitsidihana notarihin'ny minisitra lefitry ny fahasalamana nijery akaiky ny zava-misy manodidina ny departemanta nosahaniny, no nahatsirihana fa mirongotra izay tsy izy ny fiparihan'ny parasy lafrika anatin'ny kaomina Toamasina voalohany, indrindra ny kaomina faharoa. Tsikaritra araka ny fanadiadiana nataon'ireo delegasiona fa olona miisa 135 amin'ny 139 no idiran'izany parasy lafrika izany. Efa hatramin'ny volana desambra 2007 no nitrangan'izany tany amin'ny kaomina Mangabe sy Andondabe, samy anatin'ny distrika Toamasina II ka nahafaty olona miisa efatra.
Manoloana izany, no nandraisan'ny fitondram-panjakana baiko entitra fa manomboka anio talata faha 22 janoary 2008, dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamongorana izany parasy lafrika izany anatin'ny distrika Toamasina I sy faha II. Ho tonga eto amin'ny faritra Atsinanana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny amin'ny fahasalamana hanao angaredona mandritra ny herinandro hifanome tanana amin'ny famonoana ny parasy lafrika izay mampitondra faisana ny mponina isiany ka ampiasa ny fanafody « Aquito » araka ny voalaza.




Hevitra
Fanosihosena sy jadona
Tsy mijanona mampiseo herisetra amin'ny vahoaka malagasy ny fitondrana ankehitriny. Izy Fanjakana no tompon-andraikitra amin' ireny feo mivoaka tamin'ny ny radio RDB ireny sy ny hafa koa. Satria tsy misy ny tena demokirasia eto Madagasikara nohon'ny hala-bato sy osoka isankarazany dia voatery mivoaka amin'ny fomba hafa ny hetahetam-bahoaka.Tsy mifanitsy mihitsy amin'ny zavatra mitranga ny didy jadona atao'ny fanjakana : Olona iray no « mivoaka ny vala ». Ny rehetra anefa no tampenam-bava. Tsy hery no dikan'izao fa tahotra. Ankehitriny, filazana fa matahotra ny vahoaka ny fitondrana amin'ireny didy sy lalàna ataony ireny.Hita tamin'ny voka-pifidianana farany teo ireny fa tsy lanin'ny mpifidy any amin'ny toerana maro ny antoko noforonin'ny Filoha. Fantatra fa nisy osoka sy hala-bato tany amin'ny toerana maro « nahalany » ny antoko TIM ireny. Re amin'ny onja-peo sy gazety samihafa ny fanakianana ny Fanjakana.
Ny vahoaka efa tsy manafina ny tsy fitiavany azy intsony, na eto Antananarivo izany na any amin'ny faritra hafa. Mahatsiaro ho mitsingevaheva ny mpitondra ka sady misafoaka no mihorohoro ary manao didy sy hetsika aman-teny tsy voalanja. Noho ny tahotra dia mikorapaka toa an-dry Tsiranana mbamin-dRatsiraka, miditra amin'ny kizon'ny jadona amam-panaovana zinona ny feon'ny vahoaka malagasy. Saronany hosoka sy hala-bato ny safidim-bahoaka rehefa tsy mahafapo azy. Izao indray dia tapenam-bava tsotra izao ny Malagasy amin'ny fanafoanana ny fandaharana ahafahany maneho mivantana ny hetahetany.
Ambaran'ny Otrikafo ary anteriny fa tsy ny fahantrana fotsiny no manosika ny Malagasy hitroatra, fa ny fanimbazimbana ny zony indrindra indrindra. Ny mpitondra ihany no mamorona ny fangaron-javatra miteraka ny ahiahiny : sady ataony mivaivay ny afon'ny fampahantrana ny Malagasy no tsindriany mafy ny takotra tsy ivoahan'ny feony. Tsy hampilamina ny vahoaka velively izao ataony izao fa vao mainka hampiboiboika ny hatezerany. Fanakorotanana izao ataon'ny Fanjakana izao. Ary izao ataony izao no hampipoaka ny sarom-bilany.
Hoy ny fahendren'ny razantsika Malagasy :
« Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka ». Efa mahatsiaro ho halam'bahoaka ny filoha ankehitriny.
Tsy afaka hanitsy ny fihetsiny intsony io fitondrana io. Ho tojon'ny sarotra ny Filoha raha mikiribiby amin'izao fihetsiny izao, ary mety ho tahaka an-dry Tsiranana mbamin-dRatsiraka no hiafarany.
Otrikafo




Miandry ny masinina ny vahoaka
Iray volana teo ho eo izao no nandraisan'ny ben'ny tanana Andry Rajoelina ny fitantanana ny tanàna teto Iarivo, ary mbola ao anatin'ny fandaminana tanteraka ny olona afaka hiara-miasa aminy ity ben'ny tanàna ity hatramin'izao. Mbola fitarainana ihany koa aloha hatramin'izao no heno amin'ny tsy fisian'ny vola afahana miasa, sy ny hambara ho sakatsakana eo amin'ny lafiny maro samy hafa, ka mbola manarina ireny lesoka ireny no atao. Ny vahoaka anefa tsy mijery izany, fa matoa nampiakariny teo dia ny ahavita betsaka noho ny teo aloha, ary aoka tsy ho adino fa valo volana monja ilay olona nodimbiasana teo dia efa afaka nampiseho izay fahaizana manatsara an'Iarivo. Ekena fa iray vola mbola tsy afahana mitaratra ny tena ezaka ho tratrarina, saingy tsy mbola hita taratra mihitsy hatramin'izao ireo fampanantenana nambara nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny ? Manao antso amin'ny FAR izay tsy hita izay maharatsy izay efa fanaon'ny teo aloha. « Ny tao-trano tsy efan'ny irery », hoy ny Ntaolo. Ekena izany fa saingy, ny mampametram-panontaniana ny maro dia ny hoe tsy efa nandray vonona ve ny Ben'ny tanàna ankehitriny manoloana ireo asa efa tontosain'ny teo aloha, koa fomba fitantanana manao ahoana no tiana hapetraka satria ve fomba fitenenana ny hoe : « eo ampandrasana tokoa vao hita ny atiny » ?
Vola avy amin'ny mpandraharaha iza marina ary hoy ny maro no hanaovana ireo kianja tsara tarehy naseho ny maro teny an-kianja ireny toy ny eny Antsonjombe sy Andohalo. Ny vola handraofana fako aza ity hiantsoana FAR ! Miandry ny masinina ny vahoaka, fa aza avela ho diso fanantenana eo ampiangana satria izay no hitarafana ny fahaizan'ny mpamily eo amin'ny tanjona ho tratrarina, ary aza avela hiadam-pandeha ny TGV e.




Ampanefena-Vohémar
Sekoly tsy miankina iray no nisy nandoro
Tato ho ato dia nahazo vahana ny herisetra tao amin'ny kaominina Ampanefena, ao anati'nny distrikan'i Vohémar. Tamin'ny alin'ny sabotsy lasa teo dia sekoly iray tsy miankina amin'ny fanjakana no lasibatry ny olon-dratsy. Nisy nandoro mantsy ity sekoly fanabeazana fototra ity, tamin'ny 10 ora sy sasany alina tany ho any, tao amin'ny fokontanin'i Befandriana, 3 km miala ny tampon-tanànan'Ampanefena.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vita amin'ny volotsangana ity sekoly tsy miankina « Meva » nisy nandoro ity. Soa fa nalady tsikaritry ny fokonolona ny afo. Nirefodrefotra toy ireny poa-basy ireny mantsy ireo volotsangana nony may ka izay no nanaitra ny fokonolona. Nirotsaka an-tsehatra tamin'ny famonoana ny afo ny fokonolona ka nalady maty ny afo. Efitra iray no kila tanteraka ary ireo efitra hafa kosa mba tsy voakasiky ny afo. Andro vitsy talohan'ity doro sekoly ity dia nisy olona iray maty novonoin'ny jiolahy tao amin'ny tanànan'i Befandriana. Amin'izao fotoana izao dia mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho izany toe-javatra izany. Efa manao ny fikarohana ireo heverina ho nahavanon-doza moa ny mpitandro filaminana any an-toerana.




Raharaha CEG Ivohitra -Antsirabe
Fanovana ny biraon'ny FRAM no vahaolana
Miteraka resa-be ankehitriny ny raharaha ao amin'ny CEG Ivohitra Antsirabe, raha ny marina dia ny olana ara-bola ao amin'ny fitantanan'ny FRAM ary tsy fantatra be ihany izay tena filoha. Manoloana ny zava-nitranga dia nanambara ny lehiben'ny farimpiadidim-pampianarana Antsirabe I (CISCO Abe I) Atoa Rakotobe Jeannot Eric fa ny fananganana birao vaovao ara-dalàna no Vahaolana haingana amin'ity raharaha ity, Nambarany ihany koa fa ny olona rehetra manana-janaka mianatra ao amina sekoly iray dia tokony- hiditra ho FRAM ary afaka malalaka ho fidiana birao fa izany rehetra izany dia tokony hanaraka ny ara-dalàna . Tsara ihany koa hoy ihany ny chef - CISCO ny manamarika fa tsy tokony hiditra amin'ny raharahan'ny FRAM na ny mpampianatra na ny mpandraharaha na ny tale ao an-tsekoly ; fa ny anjaran'ny tale dia manolotra ny vinavinan'asa tokony ho atao eo an-tsekoly amin'ny biraon'ny FRAM.
Hatramin'izay mantsy raha nitsangana ny biraon'ny FRAM dia tsy nisy ny ara-dalàna na ny famindram-pahefana aza tsy mbola nisy akory. Amin'izao fotoana izao ary dia olona roa no samy mitono-tena ho filoha : ny iray Ray aman-drenin'ny mpianatra sady mpampianatra ny iray kosa mpanara-maso ny vola ao amin'ny FRAM no mbola milaza ho filoha ihany koa. Sahiran-tsaina noho izany ny Ray aman-drenin'ny mpianatra noho ny volan'izy ireo ratsy tantana. Hatreto aloha dia mbola tsy dia hitan'ireo Ray aman-dreny ny nampiasana ny volan'ny FRAM ankoatran'ny karaman'ny Mpiambina ny vola anefa aloa ihany ny 5000 Ar isan-taona ary manodidina ny 1280 ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao an-tsekoly. Raha ny hita aloha dia ratsy dia ratsy ny sekoly tsy mba nisy ny fanamboarana.
Efa nisy ny fangatahana natao eny anivon'ny fahefana mahefa amin'ny fanaraha-maso ny fomba fitantanam-bola eo anivon'ny FRAM ary efa an-dalan'izany amin'izao fotoana izao. Ny mpampianatra ao an-tsekoly moa dia voakitikitika amin'izao raharaha izao, no izy ireo lazaina fa mitady hitantana ny volanny FRAM ka izay no anton'ny fanambarana.




Fandaharana nofohanana
Naneho ny alahelony ny katolika
Omaly no nanambaran'ny arsevekan'Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin'ny RDB. Nolazainy tamin'izany fa radio isan'ny mpanabe ny RDB ary isan'io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan'ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan'ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin'ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan'ny TVM azy ireo raha nanao lamesa lehibe tetsy Mahamasina ny taona lasa iny, ary mbola ny RDB no nandefa mivantana izany ho ren'ny mpino kristianina rehetra. Hisy ny fihaonamben'ny eveka rehetra eto Madagasikara ny volana febroary hoavy izao, ka mandritra izany no hamoahana izay ho fepetra raisin'izy ireo manoloana izay karazana ankivy mianjady amin'izy ireo izao.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesinay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy tamin'ny Talata 22 Janoary 2008 tany France.
Hoy
Ny zanany :
RATSIMANDRESY Narivony sy RAHARIJAONA Hanitriniala
Ny zafikeliny :
RATSIMANDRESY Katia
RATSIMANDRESY Nickie
Ny iray tampo aminy :
RAHARIJAONA Vololona sy ny zanaka aman-jafiny
RAHARIJAONA Simonnette sy ny zanany
RAHARIJAONA Saholy sy ny zanany
RAHARIJAONA Baolala sy ny zanaka aman-jafiny
Ireo zanaky ny mpiray tampo aminy rehetra.
Ny fahatongavan'ny razana sy ny fotoana handevenana dia mbola ho lazaina amin'ny manaraka.
« Andriamanitra no aro sy hery ho antsika.
Mpamonjy mora azo indrindra amin 'ny fahoriana Izy ».
(Salamo 46 : 1)




Tsy hita ny tena marina
Sahiran-tsaina ny mpanao gazety Malagasy raha mandinika ny mety ho endriky ny fifidianana izay ho biraon'ny-holafitra vaovao eto Madagasikara amin'izao . Tsy hita ny tena marina satria tsy mbola voafaritra mazava ireo hikarakara sy ny tena daty marina hanaovana izany, ka mampiroroha saina ny rehetra. Voalaza fa ny datin'ny 2 febroary izao no hanaovana ity hetsika ity, saingy ny fotoana mandeha, ary efa andro vitsy sisa dia higadona io daty dia mbola tsy hita veroka ny mety ho endriky ny fifidianana. Teo aloha dia misy 15 andro hanaovana ny fampielezan-kevitra toy ny fifidianana rehetra izay niseho teto, kanefa hatramin'izao dia toa tsy misy io raha ilay daty voalaza etsy aloha no jerena. Omaly dia nanao hetsika ny AJRP sy ny AJJM fikambanan'ny mpanao gazety tanora sy ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara izay nametraka fa tokony tsy hitsabahan'ny fanjakana ny fanatontosana io, fa anjaran'ny mpanao gazety no mikarakaraka izany, satria raharaha tokantranony io. Raha ilaina dia sehatra tsy miankina ihany koa no handray an-tànana izany, ary omena ny fahafahany miatrika ity fifidianana ity ny namana mpanao gazety any amin'ny faritany. Maro ireo kandida vonona ny hilatsaka, kanefa kandida iray ihany no namaly ny antso, dia ingahy James Ramaroson. Vonona ny mbola handray an-tànana ity holafitra ity indray ny tenany raha ny filazana nataony omaly no resahina. Fa rahoviana marina ny tena daty e ? Izay angamba aloha no tena maika.




Alahelon'ny katolika
Tsy hanavahana fiangonana ny lalàna, hoy ny Praiministra
Dia hifandroritana tanteraka ankehitriny ny momba ny nanafoanana ilay fandaharana « karajia » tao amin'ny RDB andro vitsy lasa izay, izay efa nitondran'ny Arsevekan'Antananarivo ny alahelony ny nampijanonana izany. Omaly ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara dia naneho ny heviny, ka nilazany fa tsy hanavahana fiangonana ny fampiharana ny lalàna. Rehefa misy ny tokony hampiharana izany lalàna izany dia tsy maintsy atao, fa tsy sakana ho an'ny fitondrana ny hijery hoe fiangoanana iza ity na iza. Noraisiny ohatra tamin'io ny tamin'ny ilay hetsika natao tamin'ingahy Pety Rakotoniaina izay naha-tafiditra tany amin'ny toeran'ny fiangonana katolika tany Fianarantsoa II, izay nandefasana mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana tamin'izany. Raha mbola misy koa ny tokony handraisana andraikitra dia tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra. Raha nanafintohana ny ray am-panahy izany dia azo resahana ny amin'io. Ny olona rehetra samy manana ny fomba fijeriny, fa raha jerena lava izao hoe ity katolika, ity Protestanta, ity FPVM, dia tsy izay ny fitondram-panjakana ankehitriny. Nisaoran'ny Praiministra ihany koa ny AJRP izay naneho ny heviny tamin'ireny fanehoan-kevitra izay nataony ireny, satria ilaina ny fanehoan-kevitra eo amin'ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity.
Ny tsy mazava mihitsy dia nahoana no fandaharana no nofoanana na koa azo lazaina hoe naato fa tsy ny onjam-peo mihitsy no nakatona e !




Vao manomboka dia loza
Hamarana ny volana Janoary tsy ho ela isika izay volana azo hitarafana fahavononana ho an'ny firenena eo amin'ny lafiny fahasalamana, na biby fiompy izany indrindra moa fa ny olona. Vao manomboka dia loza no hita raha raisina teo amin'ny fahavoazana nanjo ny mponina mpiompy omby ka nahafatesana ity maro vokatry ny dinta sy ny kongona. Maro ny fatiantoka ho an'ny tantsaha mpiompy manoloana izany, satria tsy maintsy alevina avy hatrany ireto biby ireto. Toy izany koa ireo osy nafaran'ny filoham-pirenena izay nahitana fahavoazana ary maro ny maty, izay fatiantoka ho an'ny mpanafatra ihany koa, satria lafo ny vidin'izy ireny. Ny nanjo ny olona sasany tany Manjakandriana ihany koa dia ny nisian' ny pesta, izay nahafatesana olona. Soa fa nalaky nandray ny andraikiny ny vahoaka sy ny ministeran'ny fahasalamana ka tsy dia niparitaka firy izy io. Ary farany izay hanaovana ezaka goavana ihany koa dia ny fanafihan'ny parasy lafrika, ka ny 80% ny zaza madinika any Toamasina II dia tratran'io avokoa. Nisy ihany koa ny maty voakatr' io, ary efa mandray an-tànana ny raharaha ny hery velona rehetra hamongorana azy. Soa aloha fa tsy dia namaky vala ny oram-baratra izay nampitondra faisana ny maro ny faramparan'ny taona iny ka nahatonga ireny tra-boina maro teto an-drenivohitra ireny, izay mbola niteraka fahavoazana ho an'ny mponin'ny faritra iva. Ho lasan'izay ny ratsy rehetra, hoy ny fomba fiteny, satria miteraka hakiviana amin'ny maro ny fahavoazana toy izao, indrindra fa hambara fa ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity, ary hitoetra ihany koa ny fifanomezan-tànana eo amin'ny vahoaka sy ny mpitondra, mba tsy handeha ila ny tena fampandrosoana mirindra.




Minisiteran'ny Ati-tany
Hita ny fatin'ilay tale very
Telo volana mahery teo ho eo izao no nikarohana ny fatin'ilay talen'ny « Inspection de l'administration territoriale », ao amin'ny Minisiteran'ny Ati-tany, antsoina hoe Cécilien Aurélien. Nanao izay ho afany ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany tamin'ny fikarohana azy, ary fantatra fa omaly no hita teny Tsaramasoandro Ambohimahitsy ny fatiny. Ry zareo teo anivon'ny polisim-pirenena moa dia tsy nahazoam-baovao firy mikasika ity fahitana ny fatin'ity tale ity. Ny hany azo antoka dia nisy namono izy. Mandeha ny fikarohana ireo heverina ho nahavanon-doza. Tsiahivina fa ny alarobia talohan'ny fanambarana tamin'ny fomba ofisialin'ny vokatry ny fifidianana solombavam-bahoaka no hitan'ny fianakaviany farany ity tale ity. Nisy niantso an-tarobia izy tamin'ny 10 ora alina tany ho any ary niala tao an-tranony ary dia tsy hita popoka intsony. Raha tsy izao vao hita. Ny polisin'ny « brigade criminelle » moa mandray an-tànana ny raharaha.




Rakotovazaha Olivier
Nihena ny fitiavan'ny vahoaka ny Mpitondra
Tsy mitsaha-mitombo ny elanelana eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka ka miteraka hakiviana hoan'ny vahoaka io, ary azo hitarafana izany ny fifidianana izay natao rehetra teto, ka nahatonga ny olona hitady olon-kafa raha raisina toy teto Antananarivo renivohitra. Nihena ny fahefa-mividy ary diso fanantenana ny maro hoy ingahy Rakotovazaha Olivier mpikambana ao anaty birao politikan'ny antoko MFM, ary efa leon'ny fampanantenana lava izao izy. Mila rivo-baovao ny vahoaka, ary izay no handraisan'ny antoko MFM anjara amin'ny fifidianana izay mpanolon-tsaim-paritra ho avy izao. Mila arovana anefa ny safidim-bahoaka, ary tsy maintsy jerena ny tena demokrasia marina mba tsy hivilian'ny safidin'ny maro an'isa. Tanjona ihany koa ny hamahana ny filan'ny vahoaka manoloana izao lalan-tsarotra diavin'ny firenena izao, hoy ihany ity ministra teo aloha ity.




Ny marina tsy azo afenina
Omaly no nalefa any an-tanindrazany any amin'ny tapany avaratry ny nosy ny nofo mangatsiakan'ny talen'ny fisafoana ny lafintany teo anivon'ny ministeran'ny ati-tany Jules Antoine Cecilien Aurélien rehefa natao veloma farany tetsy amin'ny chapelle militaire Betongolo. Telo vola ngarangidina no tsy nahitana azy intsony, ary io hita teny Tsaramandroso Ambohimahitsy io ny fatiny ny alakamisy teo. Efa mandeha ny famotorana rehetra izay ataon'ny mpitandro ny filaminana, izay heverina fa tsy ho very maina ny ran'olombelona izay latsaka. Samy manana ny tombany manoloana izao ny rehetra, indrindra fa raha ny andraikitra nosahaniny teo anivon'ity ministera ity no asian-dresaka izay mifandringotra amin'ny fiainam-pirenena maro. Ny marina tsy azo afenina, ka làlana iray ahafahana mitady ny tena ati-doha ny nahitana ny toerana nanafenana ny nofo mangatsiakany, ary efa misy ny olona raisina am-bavany ka ny famotorana ataon'ny mpitandro ny filaminana no ahitana ny tena marina.




Nahay lesona i Miarinarivo
Mitaky ny hanaovana fampitahana PV
Fanodikodinana ny safidim-bahoaka tsotra no miseho aty aminay tao Anosibe Ifanja sy Sarobaratra ao anatin'ny distrikan'i Miarinarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna farany teo. Ny ankamaroan'ny birao fandatsaham-bato dia nitarika ny kandida Josoa Maminiafiana, saingy rehefa tonga taty amin'ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana, dia lasa ny TIM indray no nandresy. Ny fikambanana « Ny hoavinao » indray no resy. Rehefa nampitahana avokoa ny vokatra teo am-pelan-tanana hatrany amin'ireo mpanara-maso ny fifidianana, sy ny Crmv, dia tsy hita izay antony handresen'ny kandidan'I TIM ; noho io antony tsy mazava io dia mitaky ny ampiharana ny lesona nampianarina aminy tamin'ny taona 2002 ireny ny fikambanana « Ny hoavinao » ny hampitahana ny PV rehetra misy hatrany amin'ny TAF sy ny kandida isan'isany ary ireo mpanara-maso ny fifidianana. Voalaza fa atahorana ny hampitroatra ny vahoaka manoloana izao fanodinana ny safidiny izao.




Famonoana ilay talen'ny minisiteran'ny Ati-tany
Efa nisy ireo olona voasambotra
Araka ny efa nambara tamintsika teto omaly, dia hita teny Tsaramasoandro, ao anatin'ny fokontany Ambohimahitsy no nahitana ny fatin'Atoa Cécilien Aurélien, talen'ny Fisafoana ny ati-tany teo anivon'ny minisiteran'ny Ati-tany, izay tsy hita nanomboka ny 10 oktobra 2007.
Tao ambany fototry ny trano vao naorina moa no nanafenan'ireo olon-dratsy ny fatin'ity tale ity.
Araka ny vaovao azonay, dia notapahana ny vatan'ilay lehilahy ary nataon'ireo namono azy izay nahatafiditra ny fatiny tao anaty kitapo. Nilaza moa ny dokotera fa efa tany amin'ny telo volana lasa tany no nafafatesan'ity lehilahy ity. Izany hoe mety tamin'ny fotoana nialàny tao an-trano, ny 10 oktobra 2007 dia efa nisy namono ity tale ity.
Ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy moa no manao ny fanadihadiana mikasika ity vono olona nahatsiravina ity. Amin'izao fotoana izao dia efa nisy ny voasambotra ary mbola mitohy ny fikarohana hahafantarana izay tena marina amin'ity raharaha ity.




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy tamin'ny talata 22 Janoary 2008 tany Paris.
Hoy
Ny Zanany :
RATSIMANDRESY Narivony sy RAHARIJAONA Hanitriniala
Ny Zafikeliny :
RATSIMANDRESY Katia
RATSIMANDRESY Nicky
Ny Iray Tampo aminy :
RAHARIJAONA Vololona
RAHARIJAONA Baolala
RAHARIJAONA Simonette
RAHARIJAONA Saholy
Ny Zanaky ny Iray Tampo aminy :
Ny Havany : Terak'Itpkl RAMARIJAONA Marcel, terak'Itpkv RAHARINORO, terak'Itpkv RASOAMANANTENA Elmine, terak'Itpkv RASOANIZAHANA Genevieve, terak'Itpkl RABEMANANTSOA Ignace, terak'Itpkv RABEMANANTSOA Cecile, terak'Itpkl RABEMANANTSOA Victor, terak'Itpkl RAJAONARIVONY Emile, terak'Itpkl RAZAFINDRAFAHATRA, terak'Itpkl RAJAONARIVO Joseph, terak'Itpkl RATASILAHY, terak'Itpkl RAINITSIMBA ANDRIANIZAHANA
Ny fianakaviana manontolo
Ny fokontany Ankadikely Ilafy, Ny fokontany Ampefiloha Cité
Ny mpitandrina sy ny fiangonana FJKM Isotry Fitiavana, FJKM Fenoarivo Atsimondrano, FJKM Mahitsy, EKAR Mahitsy.
Ny razana dia ho tonga eny amin'ny Aéroport Ivato ny Alakamisy 31 Janoary 2008 amin'ny 5 ora sy sasany maraina , ary havantana ao amin'ny Lot AK 65 ter Ankadikely Ilafy (Làlana miakatra eo amin'ny FJKM Ankadikely Ilafy) . Ho entina isaorana an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM ISOTRY FITIAVANA ny Zoma 1 Febroary 2008 amin'ny 12 ora , alohan'ny hanaterana azy eny amin'ny fasan-drazany eny MAHITSY (Route de Majunga).
« Andramanitra no aro sy hery ho Antsika,
Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy ».
(Sal. 46 : 1)




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny zanaka, zandry, zafy malalanay :
dia nodimandry ny alakamisy 24 Janoary 2008 teo rehefa nivahiny 26 taona teto an-tany.
Hoy ;
Ny renibeny :
RAZANAJAONA Lucie
Ny rainy :
RAJAONARISOA Charles Renel
Ny reniny :
RANJOHANIARISOA Antonie Jeanne
Ny mpiray tampo aminy :
RAJAONARISOA Antonie Renel sy ny vady aman-janany
RAJAONARISOA Vololonirina Charline sy ny vady aman-janany
RAKOTOARIJAONA Jean-Paul sy ny vady aman-janany
RATAHIANARIJAONA Tonie sy ny vady aman-janany
RAJAONARIMALALA Lucie sy ny vadiny
RAJAONARISOA Lantotiana sy ny vady aman-janany
RANDRIANARIJAONA Charly sy ny vadiny
Ny mpiray tampo amin'ny rainy
Ny mpiray tampo amin'ny reniny
Ny fianakaviana manontolo
Ireo namana sy tapaka tsy ankanavaka
Ny mpiara-miasa aminy ao Perfect Agency
Ny Fokontany Avaratsena Itaosy
Ny nofony dia handrasana ao amin'ny Lot : IAH 58 Avaratsena Itaosy ary hiala ao ny Alahady 27 Janoary 2008 amin'ny 1 ora tolakandro alohan'ny hanafenana azy ao Isolondy Ankadivoribe Anosizato Andrefana.




Misaotra an'Andriamanitra izahay noho ny nanomezany ny mpanompony niaraka taminay nandritry ny 93 taona :
nodimandry ny Alakamisy 24 janoary 2008.
Hoy,
Ny zanany :
RAMBELO Henry sy Fanja
RAMBELO Daniel sy Vola
RAMBELO Monique
RAMBELO Michel sy Rosine
RAMBELO Nicole
Ny zafikeliny :
RAMBELO Titou sy Haingo Tiana, RAMBELO Nathalie sy Rado, RAMBELO Domoina, Lanto, Rota, Ny Avo. RAKOTOMALALA Hery sy Voahirana, RAMBELO Nivomboahangy, Andrianina. RABEJINJA Alain sy Sylvia, RABEJINJA Michel sy Sylvia, RABEHOAVY Patrick sy Bodo. RAMBELO Andry sy Christelle GENTILS, RAMBELO Mahatsangy sy LAU Valérie, RAMBELO Maharavo sy Antoine SEITER
Ny zafiafiny :
Iriranto, Johary, Nandrianina, Matthieu, Mialy, Diamondra, Miora Fanny, Mirana, Gazy, Ny Hoby, Ny Antsa Fifaliana, Kiady, Ranja, Miary, Anjatiana, Mavana
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itpkl JONAHSON RAJAONAH sy Itpkvy RAZAFIMBOAHANGY
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Itpkl RAMBELO Alexandre sy Itpkvy RASOANJANAHARY
Ny havany :
Terak'Itpkl RAJAONAH sy Itpkvy RANIVO
Terak'Itpkvy RAZANAKA
Terak'Itpkl RAZAFITRIMO Louis Norbert
Terak'Itpkl RAKOTOVAO sy Itpkvy RAMASY
Terak'Itpkl RAFIEFERANA sy Itpkvy RAMASY
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana : FJKM Ambohimarina Faharetana, FJKM Amboasary Ambohijoky
Ny Fokontany : Mahabo Andoharanofotsy, Amboasary Ambohijoky
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony lot MB 200 Mahabo Andoharanofotsy ny Alahady 27 Janoary 2008 amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro ary hoentina ao amin'ny FJKM Ambohimarina Faharetana ho fisaorana sy fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohimarina ihany.
« Aoka ho an'Andriamanitra ny fanendrena ny lalanao... »
(Fih. 461)




Ny vadiny :
RATOVELO Josiane
Ny zanany :
RATOVELO Michaël
RATOVELO Gaël
RATOVELO Stella
Ny reniny :
RATOVELO Marthe
Ny iraitampo aminy, ny iraitampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Dia maneho etoana ny fisaorana ho an'ireo izay tonga maro nidodododo nampionona sy nankahery ary nitondra am-bavaka azy ireo tamin'ny namoizany ny hava-malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo.




Hanao ahoana ny Air Madagascar ?
Orinasa Malagasy heverina fa hiarin-doha rehefa nomena notantanin'ny vahiny ny Air Madagascar, kanefa anjaran'ny maro no mitsara na misy tombony io ankehitriny na maty antoka. Miahiahy amin'ny mety ho avin'ity orinasa ity avokoa ny ankamaroan'ny rehetra, satria ho tapitra ny volana aprily ho avy izao ny fanofana ny boeing 767, ary mazava ho azy fa hiroso amin'ny fifanarahana vaovao indray izany isika. Raha ny fantatra anefa dia mety ho avo roa heny amin'ny fanofana azy ankehitriny ny hofany ka hiteraka faty antoka ho antsika ny vokatry izany. Tsy maintsy hisy ny fifanarahana amin'ireo zotra hafa raha hiena ny sidina ataon'ny Air Madagascar vokatry ny tsy fahampian'ny fiaramanidina, ka ny Air France na Air Austral, na ny Corsaire no ahazo tombony betsaka amin'io. Mety ho foana ihany koa ny zotra mivantana mihazo an'i Bangkok ka mbola iretsy zotra vahiny iretsy no hitatitra mivantana ireo mpandeha. Hisy fiantraikany mivantana amin'ny toe-karena malagasy io, noho ny mety hienan'ny vahiny hizaha tany eto Madagasikara. Tsy maintsy mitady ireo mpandraharaha vahiny manana fiaramanidina afaka hiarahana miasa isika, saingy ahazaka ny fifanarahana ara-bola amin'izy ireo ve isika ? Tsy zoviana amin'ny rehetra fa na samy eo aza ny zotra vahiny sy ny Air Madagascar, dia hita fa mahalana vao mahafeno fiaramanidina isika raha mitaha amin'ny zotra hafa. Tsy takona afenina ny fiaraha-miasa nataon'ny fanjakana malagasy tamin'ny Lufthansa izay voalaza fa hanarina ity sehatra iray ity, ary nokaramaina vola be tokoa, saingy miarina ve izy io ankehitriny sa milentika ? Mino isika fa hisy fanazavana misimisy kokoa ho hambaran'ireo tompon'andraikitra isan-karazany mba tsy hamono antoka ity fananam-panjakana ity.




Raharaha Jules Antoine Cécilien
Naiditra am-ponja ny vadiny
Efa mazava ny resaka mahakasika ilay namonoana ny tale iray tao amin'ny minisiteran'ny ati-tany, izay tsy hita nanomboka tamin'ny faha 10 oktobra ary tsy hita raha tsy tamin'ity faramparan'ny volana janoary ity. Ny fatiny moa sisa no hita ka araka ny vaovao azo dia ny vadin'andriamatoa tale ihany no atidoha nikotrika ny famonoana ity rangahy ity. Novonoina ho faty rangahy dia natao tao anaty gony ary nalevina. Herinandro taty aoriana vao nampandre ny manampahefana ny vadin-drangahy ary niainga teo ny famotorana. Niaiky ity ramatoa fa izy no nampamono ny vadiny noho ny tsy fahampian'ny fahasambarany ao an-trano. Mandeha mamita iraka matetika any amin'ny faritany rangahy ka tsy tantiny ny tsy fahitana azy ka naleony nafoy tanteraka.
Tamin'ny sabotsy teo no niakatra teny amin'ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra eny amin'ny fonjan'Antanimora ilay vadin'ity tale maty iy, ary nambarany moa fa roalahy no niray tsikombakomba taminy ka ny iray no voasambotra ary naidtra eny Tsiafahy fa ny iray kosa mbola karohina.
Samy gaga avokoa moa ny fianakavian'ity tale maty ity, eny hatramin'ny zanany aza izay tsy nanampo ny nahavitan'ity ramatoa loza nahatsiravina tahak'izao.




Hevitra
Mampitandrina ny fikambanana « Otrikafo »
« Tafiditra amina kizo lalina ny fitondrana (...). Mahatsapa izany avokoa, na ny vahoaka na ny mpanao pôlitika, na ny eto an-tanindrazana na ny any am-pita, na Malagasy na Vazaha... Izy tenany koa dia mahatsapa fa tena lalina ilay kizo. May volon-tratra izy ka mikoropaka ary manjary manaonao foana. Manaonao foana dia mihalalina ny kizo (« cercle vicieux »).
Mamorona sangodina mandetika azy hatrany ny fihetsika asetriny ny trangan-javatra vokatry ny ataony :
Nampiditra ny firenena sy ny vahoaka anaty kizon'ny fampahantrana mahery vaika nateraky ny trosa sy ny hataka ka tonga amin'izao tsy fitiavan'ny vahoaka azy izao intsony. (...)
Tsy mahatanty ny halam-bahoaka an-karihary, dia miroso amin'ny jadona : (...)ampiasaina ny herim-pamoretana ampanginana izay mampiseho ny heviny, toy ny vahoaka any amin'ny tanàna samihafa toa an'Ambohimandroso, Ampefy, Miadanandriana sy ny hafa koa, ary any amin'ny sehatra samy hafa koa.
Miditra amin'ny jadona dia vao miha halam-bahoaka bebe kokoa... Izany no atao hoe sangodim-panina mamarina an-kady.
Mahita izany ireo goaika antitra teo amin'ny sehatry ny pôlitika, toy ny tari-dRatsiraka mbamin-dry Pierrot Rajaonarivelo ary ny hafa solofony, ka mendy hiverina eo amin'ny fitondrana indray.
Ao ireo milaza fa tonga ny fotoana tokony hanaovana tetezamita.
Ao ireo miventy fa tokony hatsangana ny fitondram-panjakan'ny « firaisan-kinam-pirenena » (« gouvernement d'union nationale »). Fony teo amin'ny fitondrana anefa ireo mitady « hanavotra » ireo dia nampiditra ny firenena tamin'ny fahantrana lalindalina kokoa noho ny teo alohany. Heveriny ho marivo tadidy angaha ny vahoaka ka tsy hahatsiaro ny zavatra nataony. Fa amin'ny maha goaika azy dia miandry eo amoron-dàlana ry zareo, manantena hihinana ny fatim-biby voahitsaka eny amin'ny arabe.
Tsy mipetra-potsiny koa i Lafirantsa any ambadika any fa tena manararaotra ny kizo idiran-dRavalomanana izay tsy zaza tinaizany, mba anosehana ny ankiziny, na ireo olona mahazatra azy izany na ireo vaovao hafa koa. Ampiasainy ny tsy fankasitrahan'ny mponin'Antananarivo ny filoha intsony anangolena ary anohanana sokajina olona sasantsasany hifanandrina amin'ny fitondrana. Ny fihetsika jadona toy ny fandroahana zezoita mbamin'ny fandrarana ny « Karajia » ao amin'ny RDB rahateo dia mampihataka ny mpitondra fivavahana katôlika amin'ny filoha bebe kokoa, ary miteraka disadisa eo amin'ny mpino tsotra.
Misy ny vaha-olana fa tsy voatery milefitra amin'izao pôlitikan'ny fampahantrana izay efa nianjady nandritry ny 50 taona niankinan-doha tamin'ireo firenena mpanjanaka izao ny Malagasy. Niatomboka tamin'ny andron'i Tsiranana (Repobilika voalohany) izany, ary mbola mitohy amin'izao andron-dRavalomanana izao.
Ny rafitra aman-damina vaovao aroson'ny « Otrikafo » miaraka amin'ireo tia tanindrazana tsy miankin-doha mandala ny fiandrianam-pirenena no hany vaha olana ialàna amin'ny pôlitika nampahantra natao teo aloha (AREMA, UNDD, AVI, 3FN, ets...) ary amin'izao kizo itondran-dRavalomanana izao. Korontana hatrany no nataon'ny fitondrana nifanesy, hatrany am-boalohany ka mandraka izao. Lamina vaovao mitondra amin'ny tena fampandrosoam-pirenena no tadiavin'ny vahoaka ».
Otrikafo




Tsipaky ny miala aina
Manongo tena ny ankamaroan'ny maro raha mahita ny fihetsiky ny loholona sasany amin'izao ankatoky ny fidiran'ny loholona vaovao handimby azy ireo izao. Mahamenatra satria izao ry zareo vao mba mitaky ny handravana ity andrim-panjakana iray ity, satria toa zary ankila-bao hono ny hevitra rehetra izay avoakan'izy ireo, ary isan'ny hitakian-dry zalahy ny handravana azy io ny fanemorana ny laharan'ity andrim-panjakana ity eo amin'ny laharan'ny aro-fenitra. Tsy takona afenina amin'ny rehetra fa ny mpanohitra no maro an'isa ao izay mahatratra any amin'ny 60, ary ny 30 ambiny dia irao notendren'ny filoham-pirenena. Tsy efa tsipaky ny miala aina ve izao ataon'ny loholona mitaky ny handravàna ity andrim-panjakana iray ity izao ? Izay tolo-dalàna natolotry ny fitondrana moa ve tsy lany 100% avokoa izay mpanohitra no maro an'isa tao ? Ho gaga ve isika raha nokilasian'ny hafa ho tsy « crédible » ny mpanohitra raha mahita ny fomba fihetsiny tahaka izao isika ? Ho avy ny fifidianana isan-karazany, dia milatsaha ianareo raha te ho tafaverina amin'ny toerana fa tsy rebirebena lava izao ny vahoaka, ary aoka tsy ho gaga isika raha mitaky olom-baovao ny Malagasy toy ireny efa hitantsika teto larivo nandritra ny fifidianana farany ireny. Soa fa tsy ny mpanohitra rehetra no manao toy izany, raha tsy izany, dia efa nalevin'ny vahoaka im-pito mandifotra olona ny resaka politika.




Fiaramanidina voatery nipetraka
Nieren-doza ireo vazaha telo tao anatiny
Saika loza no nitranga tany amin'ny tanànan'Ambinany, kominina Fanambana, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar, tamin'ny marainan'ny zoma lasa teo. Tamin'ny 5 ora maraina tany ho any mantsy dia nisy fahasimbana ara-teknika teny am-panidinana teny ity fiaramanidina madinika nitondra ireto vazaha telo lahy. Voatery nipetraka teo amoron-dranomasina ity fiaramanidina kely noho izany fahasimbana izany. Mba voafehin'ilay mpanamory ihany anefa ny fidinana tsy fidiny tamin'ny tany.
Tafapetraka soa aman-tsara ihany ilay fiaramanidina na dia somary sahirankirana ihany aza. Avotra soa aman-tsara ireo vazaha telo tao anatiny.
Araka ny vaovao azo avy an-toerana, dia niala tany Antalaha ireto vazaha telo nitondra fiaramanidina madinika ireto. Tsy fantatra mazava izay anton-dian'izy ireo sy izay toerana saika halehan'izy ireo. Amin'izao fotoana anoratanay izao moa dia mbola any Fanambana ilay fiaramanidina kely, miandry ny teknisiana amin'ny fanamboarana ny simba amin'izany.




Tsena Anosibe
Fivarotana 5 indray no may
Trano fivarotana miisa 5 no may tao anatin'ny tsenan'Anosibe tamin'ny alin'ny alahady tokony ho tamin'ny 8 ora teo ho eo ka nahamaizana ireo entana rehetra tamin'ireo fivarotana ireo. Araka ny fitantaran'AtoaRandriamparany Jean Dieudonné tompon'ny fivarotana trondromaina, niharan'ny fahavoazana dia fotoana tsy fisian'ny mpivarotra misokatra intsony izany amin'ny 8 ora alina izany, ka efa namono ny afo ny « pompier » vao nantsoina any an-tranony eny akaikin'ny làlamby ry zareo, ary entana efa kilan'ny afo no novantanina. Torak'izany koa ireo tompon'ny fivarotana kojakoja momba ny fanamboarana trano. Teo amin'ny fakana am-bavany natao ireto mpivarotra sy ireo mpiambina tsena no nanambaran'ireto mpiambina fa nifanandrify tamin'ny fihodinana nataony tao anatin'ny tsena ny fisehoan'ny loza ka nandrenesan'izy ireo zavatra nipoaka tao amin'ity fivarotana kojakoja fanamboarana trano, ka nony nanatona ry zareo dia afo no hitany. Mandrampahatongan'ny mpamonjy voina dia nanavotra arak'izay ho afany ry zalahy, saingy tsy nisy vokany.
Nohamafisin'ity mpivarotra trondro maina anefa fa tsy misy mampiasa afo ireo mpivarotra na iray aza ary tsy azony veroka ny anton'ny nisian'ny afo. Ho an'ity farany ity dia mitotaly Ar. 16 tapitrisa ireo entana may, niampy lelavola Ar. 1,4 tapitrisa.
Tsy misy antoka
Ny kaominina no tompon'antoka amin'ny tsena saingy manaporofo ny tsy fiantohany ny loza tahak'izao ny tsy nahavitan'ny ampahan'ny tsena izay may efa fotoana elaela ihany izay. Hamboarina haingana io hoy ny tompon'andraikitra teo aloha ary nomena vola Ar. 5 tapitrisa ireo tompon'ny entana may tamin'izany izay fanampiana ihany fa tsy voarakitry ny lalàna. Koa arak'izany dia ny fanamboarana ny tsena haingana no takian'ireo mpivarotra, ary miandry izay mba fanampian'ny malala-tanana. Ny olana goavana sedrain'ireo mpivarotra traboina dia ny fandoavana ny vidin'ireo entana amin'ny mpambongady, sy ny fiandrasana izay mety ho vahaolana. Nampahatsiahy ny fampanantenana natao azy koa moa ireo may trano voalaza etsy ambony izay tsy nisy niraharaha hatramin'izao.




Vaovao tapatapany
Ry andriana isany, tafita ny bileta tokana
Modely tsara faka tahaka ny nataon'ny zanan-dRanavalona ny alahady teo tetsy amin'ny EPP 67ha atsimo, raha nifidy izay ho filoha hitarika azy ity fikambanana ity. Kandida roa no nifaninana ka lasan'ny Solofoniaina na fantatry ny maro hoe Lolo ny fandresena izay nahazoany isam-bato 433, ary ny mpifaninana taminy kosa dia tsy nahazo afa-tsy 320. Nanjaka ny fiarahalahina sy ny fifankatiavana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, ary tsapa tamin'iny fifidianana nataon'ny zana-dRanavalona Anosimanjaka iny, fa azo atao tsara ny fifidianana amin'ny alàlan'ny bileta tokana. Ny hanome lanja ny sotoavina Malagasy no tanjon'ity filoha vaovao ity, ary tsy maintsy harenina ireo vakoka eny Anosimanjaka izay heverina fa manana ny tantarany hoy i Lolo, ary atao izay hananan'ity fikambanana ity sehatra amin'ny lafiny maro eto amintsika, indrindra fa ny lafiny ara-tsosialy.
Fikambanana Orimbato : Hitarina any amin'ny faritany
Raha ny teto Antananarivo ihany no nahafantarana ny fikambanana « Orimbato », dia nilaza ny filoha mpitarika izany Andriamahazo Jaonasivelo na fantatry ny rehetra hoe Ndriana Rasta, fa hitarina ao Antsirabe sy Fianarantsoa ary Toliara izy io. Fikambanana tafiditra lalina eo amin'ny sehatra Politika na dia ny asa sosialy aza no tena nahafantarana azy tany aloha. Efa nitondra tanana ity fikambanana ity, ary nilatsaka matetika tamin'ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny. Momba ny handraisan'izy ireo anjara amin'ny fifidianana ho mpanolon-tsainam-paritra dia nanambara i Ndriana Rasta fa mbola hanao ny fivoriambeny izy ireo hanapaka ny amin'izany, ka ho hita eo na handatsaka olona na hanohana antoko izay mety hitovy fomba fijery amin'izy ireo.
Fandalovan'ny rivo-doza : Tsy ho vita mora ny fanarenana
Vao manomboka ny fandalovan'ny rivo-doza « Fame » dia efa faritra maro ny potika tanteraka teto amintsika indrindra fa ny tapan'ny andrefan'ny nosy iny. Nijojo ny orana tamin'ny faritra maro ary isan'izany ny teto andrenivohitra omaly, izay hita fa nampiakatra ny renirano sy ny tanimbary maro teo amintsika. Soa fa efa voajinja ny ankamaroan'ireo vary teny amin'ny lemaky Betsimitatatra. Ho taonan'ny asa ity taona ity hoy ny mpitondra fanjakana, kanefa raha izao fahitana ny zava-misy izao dia mety ho taonan'ny fanarenana, satria efa manangasanga indray ny rivo-doza « Gola ». Izany hoe tsy maintsy hiroso amin'ny fanarenana ny potika aloha vao hametraka ny lamina maty paika amin'ny asa vaovao.




Nankaiza i Hery Rafalimanana ?
Iray volana mahery izay no tsy nahitana intsony an'i Hery Rafalimanana izay PDS teto amin'ny kaomina Antananarivo renivohitra. Ninia nangina sa nampanginina ? Io no fanontaniana mipetraka amin'ny rehetra, taorian'ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny, izay heverina fa tsy tokony ahamenatra raha ny asa vita napetrany tao anatin'ny valo volana nitondrana ity renivohitra ireny. Tsy re firy intsony ity PDS izay nanana ny fomba fiasany nampiavaka ny renivohitra, satria iza no tsy niaky fa lehilahy teknisianina tokoa izy, saingy ny safidim-boahoaka no nampilofika ilay fampandrosoana izay efa namelana teto amin'ny asa izay apetrany. Na teo aza ireny fifidianana naharesy azy ireny dia mbola maro no mahatsiaro azy, eny fa na ireo tsy nifidy ity PDS ity aza nametsovetso mahita ireo zava-bitany, ary tsy vitsy no milaza hoe inona no sakana tsy hanomezana sehatra azy amin'ny asa izay heverina fa mifanitsy amin'ny fahaizany ? Nanambara ny mpitondra fanjakana fa ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity, misy ve ny sakana tsy ahafahana miara-miasa indray amin'ingahy Hery Rafalimanana ? Ny tao-trano tsy efan-irery, ary tsy hanilihana antokon'olona ny asa fanarenana an' i Madagasikara, ary samy miventy io avokoa ny antoko sy ny fikambanana rehetra. Manantena isika fa tsy ho raraka an-tany ireny asa efa natomboky ity olona notendrena valo Volana teto andrenivohitra ity, ary ho azo antoka fa tsy handà izay ho fiaraha-miasa vaovao hiantsorohany ny lehilahy, ka hipetraka tokoa ilay teny fanevan'antoko iray hoe "ny asa vita no hifampitsarana", fa tsy hifampi-palàna.
Sa izay rendrika tsy sakaizan'ny mpandresy ?




Halatra aluminium tamin'ny fiaramanidina
Miaramila iray naiditra am-ponja
Noravan'ity miaramila iray ny fiaramanidina kely DC3 nijanona teny amin'ny tobin'ny BANI-Ivato, tamin'ny alin'ny 18 janoary lasa teo. Ny aluminium tamin'izany fiaramanidina izany no nalainy. Araka ny vaovao azonay, dia najanony indray alina tao anatin'ilay fiaramanidina aloha ireo aluminium, izay vao nentiny nivoaka ny toby miaramila. Nisy nahatsikaritra izany halatra izany ka noraisim-potsiny ilay miaramila. Mbola sarona teny aminy ny aluminium. Nentin'ny lehibeny tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana moa ity miaramila ary natao ny famotorana azy.
Omaly no nentina tetsy amin'ny fampanoavana-Anosy ity miaramila ity ary naiditra am-ponja eny Antanimora mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.




Vono olona nahatsiravina tany Mananjary
Olona 32 no voarohirohy
Mbola mitohy hatrany amin'izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ilay raharaha vono olona nahatsiravina tany Mananjary, nandritra ny Sambatra 2008, herinandro vitsy lasa izay.
Fantatra, araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, fa olona 32 no voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Efa eo am-pelatanan'ny zandary izy ireo ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela.
Taorian'iny trangan-javatra namoizana ain'olona efatra iny moa dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny fiaraha-monina sy ny fandriam-pahalemana any an-toerana. Misy mantsy ireo mamaly faty ary mbola mitady hamaly faty. Manoloana izany, dia nanao fivoriana maika niaraka tamin'ny mpitandro filaminana sy ny tompon'andraiki-panjakana tany amin'ny distrikan'i Mananjara ny Ampanjaka sy ny solontenan'ny vahoaka ka tapaka tamin'izany fa hatao ny fampihavanana eo amin'ny vahoaka, mba hisorohana ny valifaty, izay manakorontana ny fandriampahalemana.




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony hody any aminy :
Ny alatsinainy 28 Janoary 2008, rehefa nivahiny 80 taona teto an-tany.
Hoy
Ny zanany :
RAJAOHARILALA Raymond sy Nary
Mme Veuve RAKOTONDRAMANANA Nhary
RATIMISON Arison sy Florence
ROBINSON Adolphe sy Timiarisoa
RAKOTOZAFY Andriamparany sy Chouchou
Mme Veuve RAMIARINJAONA Olivia
RATIARISON Rozan sy Sissie
RATIMISON Hery Fidy sy Saholy
RAZAFINDRAZAKA Timison sy Johanna
Ny zafikeliny, ny zafiafiny, ny zafindohaliny, ny iray tampo aminy, ny iray tampo amin' ny vadiny ary ny fianakaviana manontolo.
Ireo mpitandrina sy ireo Fiangonana FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala, ny EKAR Ambodiala, ny FJKM Anjanahary Maritiora ary ny FJKM Mandiavato. Ireo Fokontany Anjanahary II N sy Ambodiala Ambohitrabiby ary Mandiavato Miarinarivo.
Ny nofony dia hiala ao Anjanahary Lot II N 134 F, ny sabotsy 02 Febroary 2008, amin' ny 12 ora antoandro , ho entina hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra ao amin' ny FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala alohan' ny hametrahana azy ao amin' ny fasan-drazany ao Ambodiala .
« Raha amin' izao fiainana izao ihany no anantenantsika an' i Kristy,
dia mahantra indrindra nohon' ny olona rehetra isika ».
(I Kor. 15/19)




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Rainy hody any aminy tamin'ny Alatsinainy faha-28 Janoary 2008 rehefa nivahiny 55 taona teto an-tany.
Hoy
Ny vadiny :
Rtoa TAFANGY Marguerite
Ny zanany :
FOZARA Michaël Edouard sy Antonia
FOZARA Antonio Edouard sy Haingo
FOZARA Iris sy Hervé (France)
FOZARA Noelys Gabriella sy Léo (France)
Ny reniny :
Mme BERNADETTE
Ny Mpitaiza azy :
RAMAKARARO Vincentine
Ny Iray tampo aminy :
ADRIEN Edouard sy ny vady aman-janany
ZAFIMBOATRA Dorothée sy ny vady aman-janany
RATSIZAFIMBAHINY Donnas Edouard sy ny vady aman-janany
FOZARA Donné Edouard sy ny vady aman-janany
BAOFOZARA Herinirina Edouard sy ny vady aman-janany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
NOELINE Bernard sy ny zanaka aman-jafiny
Mme Veuve RAMANANTENASOA Adélaïde
MANINAMBOATRY Marcelle
RANAKIRAHINA Noël
TSAVELAMBOATRY Victoire
TAFANGY Albert
TAFANGY Félicité
TAFANGY Philémon Bernard
Ny havany
Ny fianakaviana manontolo
Ny FKT 67 Ha Centre-Ouest
Ny Fiangonana EKAR Maria Manjaka 67 Ha.
Ny razana dia andrasana ao an-tranony 67 Ha Logement 677 Centre-Ouest . Ny fandevenana, dia atao any Vohipeno (Manakara) izay mbola holazaina amin'ny andro manaraka.
« Efa niady ny ady tsara aho,
nahatanteraka ny fihazakazahana aho,
nitahiry ny finoana aho ».
(II Timoty 4:7)




Ny zanany :
RAMBELO Henry sy Fanja sy ny zanaka aman-jafiny
RAMBELO Daniel sy Vola sy ny zanaka aman-jafiny
RAMBELO Monique sy ny zanaka aman-jafiny
RAMBELO Michel sy Rosine sy ny zanaka aman-jafiny
RAMBELO Nicole
sy ny fianakaviana manontolo
dia maneho etoana ny fankasitrahana feno tanteraka anareo niaraka ory sy nitondra ny mavesatra ary nankahery tamin'ny nandaozana ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hamaly fitia ho anareo. Miala tsiny indrindra ho anareo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Tsy mahagaga raha potika
Nandalo ny indray ny rivo-doza ka lasibatra tamin'io ny tranom-panjakana maro isan-karazany, indrindra fa ny any amin'ny faritany. Potika satria toa tsy misy fikarakarana izy ireny, izay hita ny ankamaroany fa asa vita fony andron'l Dadabe Tsiranana, ary izay mpitondra rehetra nandalo amin'izy ireny, dia mipetraka avy hatrany fa tsy mba nisy ny fandraisana anjara amin'ny fanatsarana izany satria tranom-panjakana tokoa fa tsy an'ny tena. Tsy ny tranon'olona ambony misaha asam-panjakana ihany no ahitana fahasimbana tahaka izao, fa eo ihany koa ireny sekoly toy ny EPP sy CEG ireny, ka sorona tsy fidiny ny ankizy mpianatra. Tsy hiandrasana ny mpitondra foibe avy aty an-drenivohitra intsony angamba ny fanavaozana ireny satria efa nomena andraikitra feno ny faritra eto Madagasikara. Fanamby napetraky ny filoham-pirenena ihany koa ny fifaninanana isam-paritra, ka raha ny trano hiasan'ny mpitondra aza tsizarizary risim-po tahaky ny ahoana no hizotra any amin'izany fampandrosoana izany ? Mazana dia tsy misy fikitihana ny fanamboarana ireny fananam-bahoaka ireny, koa tsy mahagaga raha potika izay hany mba mijoro. Mbola tsy ahatonga saina antsika ihany ve ny fahavoazan'ireny biraom-panjakana isan-karazany ireny rehefa mandalo ny rivo-doza ? Alao hery ary, fa ny fitondrana tsy hanampy izay tsy mihetsika, ary aoka ho anatra ireny fanovana tompon'andraikitra misahana asam-panjakana ireny, satria tsy hisomonga amin'ny lafin-javatra toy itony ny filoham-pirenena. Mba modely e !




Rameva, osy, omby vavy be ronono
Biby inona izany e ?
Te hahita mivantana ireo karazam-biby nampidirina teto Madagasikara vao haingana ny vahoaka malagasy, saingy toa sarotra ny ahitana izany satria tsy eny amin'ny valan-javaboahary toy ny etsy Tsimbazaza no misy azy fa eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, hany ka olona voafantina ihany no afaka mahita azy. Ny rameva izay tonga vao haingana aloha no tena mahaliana, izay sambany mba nandrenesana ny fisiany eto, na dia voalaza aza fa efa misy malagasy miompy azy io eto an-toerana fa tsy fantatra mazava.
Nalaza ihany koa ny omby vavy be ronono, avy any ivelany izay marihana fa maro koa ny olona te hahita izany mivantana, raha ny lazany amin'ny fahitalavitra ihany no re. Ny osy nafarana ihany koa dia maha te hijery na dia efa fahita matetika any anindran-tany aza.
Azo antoka kosa fa ny fitandroana ny fahasalaman'ireo biby ireo no nanokanana toerana azy, ary biby fakana tombontsoa avokoa fa tsy natao hampirantiana fotsiny. Na izany aza, aiza ho aiza no fomba tokony hahafahan'ny malagasy mijery ireo biby mahavariana ireo ? Tsy azo sokafana ho an'ny daholobe ve ny lapam-panjakana mba hijerena azy ? Ho an'ny fikambanana na sekoly aloha dia mety hanana anjara amin'izany raha manao fangatahana fa sarotra kosa ho an'ny sarababem-bahoaka.




Fiaran'ny depiote
Nahoana no tsy « plaque rouge » ?
Samy gaga ny rehetra raha nandre fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana indray ny depiote vaovao etsy Tsimbazaza, na dia efa navoakan'ny filan-kevitry ny Governemanta aza fa tsy ahazo io tombontsoa iray intsony izay depiote lany eo, kanefa dia ny mifanohitra amin'izany no hita. Ny mampalahelo ny depiote hafa fotsiny, dia izay tsy TIM dia mbola tsy nahazo hatramin'izao, afa-tsy depiote iray, dia i Hary Kalizy izany. Raha ny fantatra dia tsy ho fananan'ny depiote itony fiara nomena hiasany itony fa an'ny eo anivon'ny fiadidianana ny Repoblika, ary rehefa tapitra ny fe-potoana hiasan'ny depiote dia haverina. Noho izany dia mila mitandrina amin'ireto fiara ireto ny olom-boafidy mba tsy ho sanatria ho fiara efa kadraoka be no averina, satria hisy fepetra ho raisina ho an'ireo izay hita ho toy izany ny fiara averiny. Raha izany ihany, hoy ny mpitazana, nahoana raha atao plaque rouge itony fiara itony, satria an'ny fanjakana, ary handio ihany koa ny fijerin'ny vahoaka, sa mahamenatra ny mitondra fiara tahaka izany ?




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony hody any aminy :
Ny alatsinainy 28 Janoary 2008, rehefa nivahiny 80 taona teto an-tany.
Hoy
Ny zanany :
RAJAOHARILALA Raymond sy Nary
Mme Veuve RAKOTONDRAMANANA Nhary
RATIMISON Arison sy Florence
ROBINSON Adolphe sy Timiarisoa
RAKOTOZAFY Andriamparany sy Chouchou
Mme Veuve RAMIARINJAONA Olivia
RATIARISON Rozan sy Sissie
RATIMISON Hery Fidy sy Saholy
RAZAFINDRAZAKA Timison sy Johanna
Ny zafikeliny, ny zafiafiny, ny zafindohaliny, ny iray tampo aminy, ny iray tampo amin' ny vadiny ary ny fianakaviana manontolo.
Ireo mpitandrina sy ireo Fiangonana FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala, ny EKAR Ambodiala, ny FJKM Anjanahary Maritiora ary ny FJKM Mandiavato. Ireo Fokontany Anjanahary II N sy Ambodiala Ambohitrabiby ary Mandiavato Miarinarivo.
Ny nofony dia hiala ao Anjanahary Lot II N 134 F, ny sabotsy 02 Febroary 2008, amin' ny 12 ora antoandro , ho entina hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra ao amin' ny FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala alohan' ny hametrahana azy ao amin' ny fasan-drazany ao Ambodiala .
« Raha amin' izao fiainana izao ihany no anantenantsika an' i Kristy,
dia mahantra indrindra nohon' ny olona rehetra isika ».
(I Kor. 15/19)




Dimy taona androany
No nandaozanao ny tany
Ka tsaroana ombieny ombieny
Ireo soa izay vitanao ry neny
Tsy voakosoky ny andro
Na atelin'ny fotoana
Fa ianao tsaroana hatrany
Indrindra moa fa ny andro androany
Tsy adino ry mama ireny hafatrao
Indrindra ny fifankatiavan'ny ankohonanao.
Hoy ny zanakao, ny zafikelinao ary ny fianakaviana manontolo.
Aoka hahatsiaro ambavaka izay rehetra nahafantatra azy.




Mandroso mihemotra
Ny hanongotsongoana ny maty hono tahotry ny handevim-belona, ary ny hanairana ny sain'ny mpitondra henatry ny hanan-dratsy. Manomboka simba ny fototrafitr'asa eto andrenivohitra sy ny manodidinana izay heverina fa nandaniam-bola betsaka ny nentina nanaovana izany. Isan'io ny làlana izay miverina ny lavadavaka isan-karazany, izay hambara fa ny làlana no làlan-dra mampiodina ny toe-karena, ary hitarafana ny fandrosoan'ny faritra iray. Niesisesy ny orana tao ho ao, ka tsy mahagaga raha potika izay narenina, kanefa hatraiza ny fanaraha-maso ny fifanarahana natao tamin'ny orinasa mpanao itony asa itony ? Mahatratra 25 taona ny faharetan'ny asa, kanefa tsy vao 4 taona monja ve izay no lasa dia io hiarahana mahita io ny hamafiny ? Mandroso mihemotra ny fampandrosoana eto Antananarivo raha tsy mitoetra ny fanaraha-maso ifotony itony asa goavana itony, ka ny « TIP TOP » sisa ny voninahitry ny vola be nolaniana nanamboaran-dàlana. Vola nindramina ny ankamaroan'ny nanaovana ny fotodrafitr'asa rehetra teto, ary tsy maintsy ny hetram-bahoaka no hanefana izany, ary antenaina fa tsy ho hambakan'ny zava-misy hita maso ankehitriny ny ezaka izay ho ataon'ny mpitondra mifandimby eo mba tsy ho latsam-panenenana lava izao isika mianankavy.




Fiainam-bahoaka
Rahoviana indray vao ho faran'ny volana ?
Mafy ny nanala iny volana janoary 2008 iny ! Io no tsikaritra nahazo ny mponina manana fivelomana antonontonony amin'izao fotoana izao. Tsy vitan'ny hoe lany vola tamin'ny fety fa na nanao tahiry aza dia tsy naharaka satria ny vidin-javatra mihitsy no nisondrotra, indrindra ireo entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro toy ny vary, tafakatra ar 350 hatramin'ny ar 400 ny iray kapoaka, ny hena moa dia zara raha hita nandritra iny volana iny izay niakatra hatramin'ny ar 6000 ny iray kilao amin'ny henakisoa . Ny sakafo misy otrik'aina toy ny « fromage, Yaourt » sns... dia ny manan-katao ihany sisa no mahavidy azy ka na eo aza ny fiparitahan'ny ronono velona eto an-drenivohitra dia mba nampakatra ny vidiny koa ry zareo.
Na izany aza dia mba mimenomenona koa ireo mpivarotra lafo entana ireo satria tsy mandeha ny tsena. Ny hany tombony ho azy ireny dia ny fandraisana ny trosa izay nataon'ny mpanjifa nandritra iny volana iny, ary ny volan'ny mpanjifa kosa dia lany nandoavana trosa tamin'iny volana lasa . Araka ny mahazatra ireo mpandray karama isam-bolana dia ny hahatongavan'ny faran'ny volana ihany no nahamaika nanesorana ireo trosa niavosa, saingy misento ihany mieritreritra hoe « Rahoviana indray ny faran'ny volana manaraka » ? Fohy indrindra ity volana febroary ity ka asa raha hahatody na tsia.
Ny mahakivy eto dia ny tsy fahafantaran'ny fitondrana foibe izany fahoriam-bahoaka izany ka hiononany amin'ny fiakaran'ny harin-karena faobe, milaza fa tafita. Manana tahiry amina miliara ny fanjakana, nefa mahantra vahoaka. Efa miverina amin'ny fitsimponana fako indray izao ireo olon-dresy, nefa na ny fako hotsimponina aza toa tsy misy ka ho aiza indray ? Efa lakolosy fanairana anie ireny tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna ireny e !
Variana amin'ny fiarovan-tseza ny fanjakana, hany ka ny fanerena ara-politika ireo olom-boatendry any amin'ny faritra no mahavariana azy satria ho avy ny fifidianana ireo fototry ny fiarovan-tseza.




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy teo amin'ny faha 38 taonany.
Hoy
Ny vadiny :
ANDRIANTSEHENO Haingo Rapaoly
Ny Rainy :
Dr. RAKOTOMALALA Josovah
Ny Rafozany :
ANDRIANTSEHENO Paul mivady
Ny Renibeny :
RAMANANDRAIBE
Ny iray tampo aminy :
YVAN Josvah mianadahy avy sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
ANDRIANTSEHENO Niry mianadahy avy sy ny zanany.
Ny fianakaviana manontolo.
Ny fiangonana La Chapelle militaire Betongolo
Ny fokontany : Ampamantanana Androndra, Ampefiloha, Ambohijina
Ny nofony dia hiala ao Ampamantanana Androndra lot VL 11 E, ny asabotsy 02 febroary 2008 amin'ny 08 ora maraina . Hatao veloma farany ao amin'ny La Chapelle Militaire Betongolo mialoha ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohijina Antambolo (Arivonimamo).
« Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra. Ary ny fisentoko tsy mba miafina aminao ».
(Salamo 38 : 9)




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny ny hava-maIaIanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny alarobia 30 janoary 2008, rehefa nahazo ny Sakramenta farany fanome ny Eglizy ny zanany.
Hoy :
Ny vadiny :
RABEKOTO Roger Michel - Boly
Ny zanany :
RABEKOTO Randza Onisoavina
RABEKOTO Fanomezantsoa Nirina
Ny rafozany :
RABEKOTO Raymond mivady
Ireo iray tampo aminy :
RAZAFINDRAKOTO Mamy sy Catherina ary ny zanany
RAZAFINDRAKOTO Patrick sy ny zanany
RAZAFINDRAKOTO Naina
RABEMANANJARA Tina sy Nirina sy ny zanany
RASOANOROVELO Farasoa
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RAJAONAH Symphorien mivady sy ny zanany
RABEKOTO Didier mivady
RABEKOTO Jean Alain mivady sy ny zanany
RABEKOTO José
RABEKOTO Patrick mivady
RABEKOTO Nicole sy ny zanany
Ny havany :
Terak'Itpklahy RABERANTO, Terak'itpkvavy RAZAKANIAINA, Terak'Itpklahy RAKOTOVAZAHA Félix, Terak'Itpklahy RAMAROLAHY Ignace.
Ny Fokontany Antsahabe Ankorahotra Ankazotokana
Ny Fiangonana MMIA Ankadivato 3e Quartier
Ny zanaka ampielezana FJKM Ambohipanja Fitiavana
Ny zanaka ampielezana Fiangonana Anglikana Tsanta Mikaëla Amboatany
Fokontany Antaramanana Masindray
Ary ny fianakaviana rehetra
Ny nofony dia ho enti-miala ao an-tranony ao Antsahabe VF 119 A, ny sabotsy, 2 febroary 2008 amin'ny 12 ora 30 atoandro , entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EKAR MMIA Ankadivato alohan'ny ametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao ANTARAMANANA MASINDRAY.
O Mario ô ! mba tantano ny dianay,
Arovy re, fa zanakao 'zahay.
Ampio re, mbola lavitra ny dia, Maria ô, Reny mamy be fitia.




IMMR
Nitsangana tamin'ny maty
Aina ity, hoy Rainimanonja, ka aleo atambatra haingana ny hery. Ny tsy hisian'ny faty antoka momba ny fifidianana izay hatrehantsika atsy ho atsy no antony. Io no hita taratra amin'ireo manohana ny filoha amperin'asa nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena farany teo ireny, dia ny IMMR izany. Atambatra ny hery, ary ho jerena izay hifanarahana sy hifanohanana manoloana ny fifidianana izay ho atao atsy ho atsy, ka hifandrombonanan'ny Teza, TIM, AMF/3FM, ary ny Arema matotra. Mandady ny trambo, hoy ny fomba fiteny, ka na dia tsy nisy aza ny fifampitsinjovana manoloana ny fifidianana izay natao teto, dia tapaka ny hevitra fa hiray saina mba ho sakana ho an'ny kandida hafa mety handrombaka ny seza. Heno fa maro tamin'ireto mpikatroka ao anatin'ny IMMR « Isika Miaraka amin'i Marc Ravalomanana » ireto no tsy manaiky ny ho atao fitaovana intsony rehefa hiatrika fifidianana toy izao, ka na mitambatra ho vato, na hisaraka ho fasika. Ny avy eo anivon'ny antoko TIM anefa dia matoky tena tanteraka ka tafika foana na iza manampy na iza hisintaka. Anio maraina no hihaona amin'ny mpanao gazety etsy amin'ny Motel Anosy ity IMMR ity, ka hoy ny maro hoe mampitsangana amin'ny maty ity fifidianana ity e !




Sasatry ny miarina
Hatramin'izao aloha dia mbola ny zavatra efa nampoizina hiseho avokoa no miseho, dia ny tombatomban'ny mpanara-baovao mahakasika ny nirotsahan'ny TGV ho kandida ben'ny tanàna. Ny famisavisana ny fahalaniany no atao jery todika kely ka saika nitombina ny ankamaroany. « Sasatry ny miarina », izay no azo ilazana ny fandraisan'ny ben'ny tanàna vaovao ny toerana eto an-drenivohitra. Efa niaiky mihitsy ny lehilahy fa ho sarotra ny hanatanterahana ireo programan'asa raitra dia raitra nampanantenaina tamin'ny fampielezan-kevitra. « Teny zato, kabary arivo »ireny fa tsy nisy asa nivaingana akory. Sakan-tsakana no mahazo ny kaominina hoy ireo mpanolon-tsaina TGV ka aiza no hampandrosoana ny tanàna amin'izany ? Tsikaritra anefa raha ny fandresen-dahatra natao tamin'ny vahoaka fa efa misy ny tetika matipaika hanoherana izany ka « Matokia ry vahoaka ». Ny fiafarany dia tsy misy hita ireo fampanantenana fa ny paik'ady hisintonana ny vahoaka handrotsa-bola, ankoatry ny hetra no zava-misy. « Fanarenana an'Antananarivo renivohitra », « arotsahy arotsahy ! » Asa na iza no hanara-maso ireny vola ireny. Izao indray dia « ndao hanadio tanàna ». Famenoana kitapo avokoa no tanjona amin'ireny satria efa tokony ho vitan'ny hetra aloan'ny vahoaka ny fanadiovana tanàna. Rehefa dinihina moa dia toa miverina haka ny fon'ny vahoaka indray ny ben'ny tanana amin'izao fotoana raha efa noporofoin'ireto vahoaka fa ny TIM no tsy tiany, ka raha nifidy ihany dia aleo olom-baovao. Jereo ange ilay tetsy Mahamasina indray andro iry e ! Nangadihady ny seza... Dia ho hita eo indray ny anio... Raha tsy hoe hisy artista malaza angaha ?
Ny fanjakana koa etsy andaniny dia sady mamelaka tehamaina no manafosafo. Manindrahindra ny TVM fa mitsikera mafy kosa ny haino aman-jery hafa. Inona moa no fototry ny resaka fa tsy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ambony e ! Sao dia ho lasa eo ny TGV izay tsy hita aloha hatramin'izao na ny lalamby hizorany aza.




ESMGC : Oniversiten'ny vondrona ACEEM
Hisokatra amin'ny volana martsa
Amin'ny faha 7 martsa izao no hiditra ireo mpiofana ho manam-pahaizana ambony ao amin'ny ESMGC (Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication) etsy Manakambahiny.
Ny vondrom-panabeazana ACEEM no tompon'ity sekoly ambony ity izay fanatevenana ireo sampana isan-karazany efa misy ao aminy. Fotodrafitrasa vaovao manara-penitra no hovantanin'ireo mpianatra ka mpianatra miisa 100 hatramin'ny 120 isaky ny sampam-piofanana no ho raisina hiofana mandritra ny 3 taona avy. Itovian'ny diplaoma azo amin'ireo taranja rehetra ny LDM « Licences masters doctorat ». Ho an'ny taranja « gestion » dia mpianatra manana ny bakalorea G, A, D no ho raisina. Hanam-pahaizana momba ny fitantanana orinasa aorian'ny fiofanana ka afaka miatrika asa avy hatrany. Ho an'ny taranja « maintenance en electronique, informatique et electrotechnique » kosa dia ny bakalorea C, D ary S ary bakalorea teknika no horaisina izay fantatry ny rehetra fa takian'ny tontolo ankehitriny. Ny taranja fifandraisana (communication) kosa dia ny bakalorea tsy ankanavaka no afaka manao azy. Betsaka ny asa vantanina amin'ity izay efa miroborobo fatratra ankehitriny. Fantatra ireo nandritra ny varavarana misokatra fampahafantarana ity sekoly ambony ity, izay natao teny an-toerana nanomboka omaly zoma.
Nanatrika ity hetsika ity ireo mpianatra efa nisoratra anarana, izay fotoana nampahafantaran'ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM atoa Ratrema William sy ny tale jeneralin'ny sekoly ny profesora Ralaisoa tamin'ireo mpianatra ny firafitry ny sekoly sy ny fitsipika mifehy azy. Ny tanjona hoy izy ireo dia fandraisana anjara eo amin'ny fampandrosoana sy fanomezana vahana ny tanora hifantoka amin'ny sehatry ny asa.




CRTIM
Tanteraka ny zava-drehetra
Manomboka maka volon-tany indray ireo mpikatroka tao amin'ny antoko TIM teo aloha izay niofo ho CRTIM ankehitriny. Tanjona iray no iraisana dia ny hanamafisana orina ity fitondran'ny filoha Ravalomanana, kanefa noho ny disadisa teo amin'ny adin'ankizy dia nisara-bazana ny mpiara-mitolona. Miha-mahazo vahana ny avy amin'ny tsy miankina nandritra ny fifidianana izay niseho, ary ireny niarahana nahita ireny ny fahakiviana teto amin'ny mpifidy. Nahatsapa izany ny birao foibe teo anivon'ny antoko TIM ka nanao antso avo amin'ireo ondry naniha, mba hiverina ao ambala. Tara loatra hoy ny CRTIM satria efa niseho imasom-bahoaka ny lamba maloto, ary zovy ny tsy nahita ny vokatry latsa-bato farany teto andrenivohitra ireny ? Ireo mpitarika ny CRTIM dia mihevitra ny hamory ny mpikambana ato ho ato, izay handinika ny fifidianana ho hatrehantsika tsy ho ela. Tanteraka ny zava-drehetra tamin'ireo tsikera nambaranay momba ny fiainam-bahoaka izay mila fiheverana, kanefa toa nokilasiana ho mpanohitra izahay, izay no ilaina fifampi-hainoana mba tsy ahatompon-trano mihono azy ireo. Na eo aza anefa ireo, dia efa nisy ireo tao anatin'ny biraon'ity fikambanana leo monina tamin'ny antoko matanjaka ity no hita ho mafana fo ao amin'ny TIM etsy Ankorondrano ankehitriny. Izay to fo hono mpamosavy, ka ho hita eo izay mbola hitana alahelo raha hifamerina ny roa tonta, satria maniry izany ny andaniny sy ny ankilany.




Botozaza Pierrot
DG sa depiote ?
Volana telo izay no nandraisan'ireo depiote ny asa amin'ny maha-solombavam-bahoaka azy izay mahatratra 127 manerana an'i Madagasikara. Ny andraikitry ny olom-boafidy tahaka izao, dia sarahina tanteraka amin'ny asa hafa, ankoatry ny asa fampianarana, ary mazava ho azy fa nisy ireo nametram-pialana noho ny fanendrena azy ireo ho ministra. Nanaja ny fitsipika avokoa ny ankamaroan'ny depiote rehetra, kanefa mbola misy ireo mitazona ny andraikiny teo aloha toan'i DG eo anivon'ny seranatsambon'i Toamasina Botozaza Pierot. Fa nahoana no mbola mitazona io andraikitra io ny tenany ? Tokony hisy seza iray ilaozany amin'ireo mba hanaraka ny ara-dalana, ary atao malaky ny fanendrena izay hisolo azy na io ao amin'ny ladoany, na ihany koa eo anivon'ny maha-solombavam-bahoaka, satria tsy maintsy hilaozana ny seza iray amin'ireo. Raha ny lalampanorenana no hinia hitsahina, inona intsony no maha-tany tan-dàlana antsika ?




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny ny hava-maIaIanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny alarobia 30 janoary 2008, rehefa nahazo ny Sakramenta farany fanome ny Eglizy ny zanany.
Hoy :
Ny vadiny :
RABEKOTO Roger Michel - Boly
Ny zanany :
RABEKOTO Randza Onisoavina
RABEKOTO Fanomezantsoa Nirina
Ny rafozany :
RABEKOTO Raymond mivady
Ireo iray tampo aminy :
RAZAFINDRAKOTO Mamy sy Catherina ary ny zanany
RAZAFINDRAKOTO Patrick sy ny zanany
RAZAFINDRAKOTO Naina
RABEMANANJARA Tina sy Nirina sy ny zanany
RASOANOROVELO Farasoa
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RAJAONAH Symphorien mivady sy ny zanany
RABEKOTO Didier mivady
RABEKOTO Jean Alain mivady sy ny zanany
RABEKOTO José
RABEKOTO Patrick mivady
RABEKOTO Nicole sy ny zanany
Ny havany :
Terak'Itpklahy RABERANTO, Terak'itpkvavy RAZAKANIAINA, Terak'Itpklahy RAKOTOVAZAHA Félix, Terak'Itpklahy RAMAROLAHY Ignace.
Ny Fokontany Antsahabe Ankorahotra Ankazotokana
Ny Fiangonana MMIA Ankadivato 3e Quartier
Ny zanaka ampielezana FJKM Ambohipanja Fitiavana
Ny zanaka ampielezana Fiangonana Anglikana Tsanta Mikaëla Amboatany
Fokontany Antaramanana Masindray
Ary ny fianakaviana rehetra
Ny nofony dia ho enti-miala ao an-tranony ao Antsahabe VF 119 A, ny sabotsy, 2 febroary 2008 amin'ny 12 ora 30 atoandro , entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EKAR MMIA Ankadivato alohan'ny ametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao ANTARAMANANA MASINDRAY.
O Mario ô ! mba tantano ny dianay,
Arovy re, fa zanakao 'zahay.
Ampio re, mbola lavitra ny dia, Maria ô, Reny mamy be fitia.




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy teo amin'ny faha 38 taonany.
Hoy
Ny vadiny :
ANDRIANTSEHENO Haingo Rapaoly
Ny Rainy :
Dr. RAKOTOMALALA Josovah
Ny Rafozany :
ANDRIANTSEHENO Paul mivady
Ny Renibeny :
RAMANANDRAIBE
Ny iray tampo aminy :
YVAN Josvah mianadahy avy sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
ANDRIANTSEHENO Niry mianadahy avy sy ny zanany.
Ny fianakaviana manontolo.
Ny fiangonana La Chapelle militaire Betongolo
Ny fokontany : Ampamantanana Androndra, Ampefiloha, Ambohijina
Ny nofony dia hiala ao Ampamantanana Androndra lot VL 11 E, ny asabotsy 02 febroary 2008 amin'ny 08 ora maraina . Hatao veloma farany ao amin'ny La Chapelle Militaire Betongolo mialoha ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohijina Antambolo (Arivonimamo).
« Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra. Ary ny fisentoko tsy mba miafina aminao ».
(Salamo 38 : 9)




Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta sady Minisitry ny Atitany,
Ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Atitany,
Ny Firaisan-draharahan'ny Administrateurs Civils,
Dia maneho fisaorana sy fankasitrahana tanteraka ho an'ireo rehetra nidodododo, nandray andraikitra sy niarak'ory ary niara-nisalahy tamin'ny fikarakarana ny nofo mangatsiakan'ltompokolahy :
Ny fandevenana dia efa vita tamin'ny Alahady 27 janoary 2008 lasa teo tany Antsiranana.
Ialan-tsiny amin'ireo izay tsy tratra antso noho ny fahateren'ny fotoana sy ny hafenoan'ny rano be loatra.
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly soa antsika rehetra.




Mbola voafitaka ny mpanao gazety
Na dia efa nambara ombieny aza fa miandry ny lalàna avoakan'ny ministera ny mpanao gazety hanatanterahiny ny fifidianana izay ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo birao miaraka aminy, dia mbola nisy ihany ny voafitaka ny sabotsy lasa teo. Nahitana mpanao gazety ampolony maro tokoa tonga teny amin'ny tranombokim-pirenena ny sabotsy teo, ary samy gaga ny rehetra nahita azy. « Fa misy inona ato no feno mpanao gazety ? » Teo ny rehetra vao samy nahalala fa saika hifidy ny filoha hitarika azy kay ireto namana ireto. Efa voapetraka tamin'ny maro ny datin'ny 2 desambra hilazana ny andro hanaovana azy io, saingy maro no tsy nahalala fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka io daty io. Mbola voafitaka indray ny mpanao gazety, hoy ireo mpanadroadro nitazana an-dry zalahy sy zavavy niveri-maina. Dia rahoviana indray izany no tena hanaovana azy io ? Mahandrasa tantana e.




Zandary voatifitra tany Toliary
Enim-bolana sazy mihantona no azon'ilay voarohirohy
Niakatra fitsarana tamin'ny faramparan'ny herinandro lasa teo ilay raharaha fitifirana zandary tany amin'ny fokontany Ambolofoty, kaominina Betsinjaka-Toliara, ny alin'ny 26 desambra lasa teo.
Miaramila iray sy sivily telo moa no voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Izy ireo no tao anaty fiara P.405 izay nandeha alina ka nosakanan'ny « Jado » (vatan-dehilahy miambina tanàna amin'ny alina).
Mamo moa ilay sivily nitondra fiara tamin'izay fotoana izay. Izy no nitifitra ilay zandary anisan'ireo niambina niaraka tamin'ny fokonolona. Voa mafy tokoa ilay zandary ary mbola tsy afaka manohy ny asany amin'izao fotoana izao. Fiara-na manamboninahitra iray any Toliara no nentin'ireo olona ireo. Tsy nanaiky ny fandaminana nataon'ny « jado » moa ireo olona tao anatiny ka izany no nitarika tamin'izao herisetra nandratra zandary izao. Nandritra ny fitsarana moa dia voasokajy ao anatin'ny vono sy ratra tsy niniana natao ny heloka fa tsy heloka bevava. Ilay sivily nitifitra ilay zandary dia nahazo sazy mihantona enim-bolana, ilay miaramila sy ireo vehivavy roa tao anatin'ny fiara kosa dia natao vavolombelona tao anatin'ny raharaha. Mbola nampiakatra fitsarana ambony moa ny mpitory satria tsy nahafa-po azy ireo ny didim-pitsarana.




Teto an-drenivohitra
Mody adala, nefa manendaka
Mitombo isa indray ny olona adala eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin'izao fotoana izao saingy toa miova ho moderna kokoa izy ireny, hany ka mampisalasala ny hilaza ny sasany amin'izy ireny ho adala. Tao anatin'ny andro maromaro izay dia tsikaritra misy tovolahy malotoloto manenjika miditra anatin'ireny taxi-be eto an-drenivohitra ireny ka mody mitabataba sy mangataka eo. Tamin'ny faran'ny herinandro teo moa dia navelan'ny resevera nanaram-po tao anatin'ny taxi-be ity tovolahy iray. Sorena ny mpandeha ka nahafoy nanome vola mba ivoahany tao, kanjo teo am-pivoahana no nisintonany ny vola rehetra teny an-tanan'ilay resevera. Teo vao nandeha ny resaka fa efa be mpahalala ilay mpangataka, ary misy andiany maromaro ry zalahy ka ity voatantara ity dia etsy Isotry akaikin'ny « petite vitesse » sy amin'ny fihantsonana eo Tsaralalàna iny no miasa. Ny nampihomehy dia nilaza ity mpangataka hoe « izaho ange rey olona ka adala e ! ».
Mirongatra koa ity fomba ity eny Andoharanofotsy eny, saingy tsy eny amin'ny taxi-be ihany fa eny an-dalam-be mihitsy. Mody adala sy misary gaigy eo ry lehirony dia mandrombaka zavatra na sakafo eny antanan'olona, na ny eny an-tanan'ny ankizy andeha hianatra. Maromaro mihitsy izy ity, ary tsikaritry ny mponina fa mody adala no betsaka, ary adala mahalala vola sy hanina avokoa. Angamba tsy ny mpitsabo ny adala no tokony hisambotra azy ireny fa ny mpitandro filaminana mihitsy satria mazava fa hakamoana no antony. Misy mahara-maso azy ireny ka raha vao avy mangataka sy mangalatra ry zalahy dia miloka ao ambadimbadiky ny « petite vitesse » ao .
Mifangaro amin'izy ireny tokoa ny olona tena adala saingy tsy adala ny olona ka tsy hahafantatra izay tena adala.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty sy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny 04 febroary 2008 rehefa nivahiny 77 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny Zanany :
RAJAONARIVELO Tiana sy Domoina
RAJAONARIVELO Zaka sy Françoise
RAMIANDRISOA Mbolaniary sy Hantanirina
RAJAONARIVELO Herimampianina
RAJAONARIVELO Fidy Antenaina
Ny Zafiny :
Nancy, Dina, Mialy, Luc, Agnes, Andy
Ny nofony dia hiala ao Tsaralalana IO 33 ny Alarobia 06 ferbroary 2008 amin'ny 11 ora sy sasany.
Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Antsahamaina Ambatomanga alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany eny Antsahamaina Ambatomanga ihany.
Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny Fanahy.
(Hebreo 10.39)




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alatsinainy 04 febroary 2008 rehefa nivahiny 52 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAZAIARIVONY Beby Dorette
Ny zanany :
RAZANAMPARANY Setra
RAZANAMPARANY Mamisoa
RAZANAMPARANY Felana
Ny rafozany :
Mme Veuve RATSIMIVONY
Ny iray tampo amin'ny reniny :
Mme veuve RALAIBOHAZAKA Gilbert
Ny iray tampo aminy :
CHAUMEL Guy mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAHARIMALALA Marie Thérèse sy ny zanaka aman-jafiny
RARIJA Marie Philippe mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOMAMONJY René mivady sy ny zanany
RAZANAMPARANY Lolona sy ny zanany
SAMIHARIMALALA Ndriana mivady sy ny zanany
RALAIALITIANA Francky mivady sy ny zanany
Teraka RAZANAMPARANY Christine
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Mme veuve RAKOTOARIVONY Mariette sy ny zanaka aman-jafiny
RATOVOARISOA René mivady sy zanaka aman-jafiny
RATSIMIVONY Julien mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTONDRAZAY Charles mivady sy ny zanany
RAZAFINIALY Daudet sy ny zanany
RAHERIARIVONY David mivady sy ny zanany
RANDRIANARIVONY Désiré mivady sy ny zanany
RANAIVOMPARANY Tiana mivady sy ny zanany
Ny fianakaviana avy amin'ny Ray sy ny Reny rehetra
Terak'i RANAIVO sy RAZAFINDRAFARA
Terak'Itompokovavy RAZANAMAVO
Terak'Itompokolahy RAZAFIMANDIMBY
Terak'Itompokolahy RAINIAMBOAZAFY
RALAISEHENO mianakavy
Ny tale sy ny mpiasa ao Entreprise EN.GE.MA.FI
Ny fiangonana Ste Thérèse Ifarihy
Ny EKAR St Philippe sy Zaka Tanjombato
Ny Fiangonana F.J.K.M Ifarihy Famonjena
Ny Fokontany Ankadinandriana
Ny Fokontany Ifarihy.
Ny nofony dia hiala ao an-traony Ankadimbazimba ny Alarobia 06 febroary 2008 amin'ny 1 ora ary hatao veloma farany ao amin'ny Fiangonana Ste Thérère Ifarihy . Avy eo dia aterina eny amin'ny fasan-drazany ao Tongarivo Tanjombato .
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo »
(Jeremia 29-11)




Tokantrano tsy ahahaka
Ao anatin'ny ady atao amin'ny parasy isika eto Madagasikara, raha ny tatitra heno, dia efa vita ny ady ankehitriny, fa ny fanentanana ny olona mba hadio sisa no mbola atao. Aretina faran'izay mahamenatra ity « parasy lafrika » ity, satria biby kely maharikoriko, nefa dia saika nahazo laka tany amin'ny faritry Toamasina I sy faha II iny. Fahavoretrana noho tsy fisian'ny fahadiovana, hoy ny maro no mahatonga izao, nefa tsy azo lavina fa eo ny fahantrana. Saika ireo olona sahirana avokoa no nalana parasy tany amin'ireo faritra ireo, izay olona tsy mba afaka mividy kiraro, eny fa na savony aza. Ny rano hidiovana hinanan-kanina aza anie ka mbola maro no mividy azy ity e ! Niely tany ivelany izy io, izay azo antoka fa sokajian'ny vahiny ho firenena mihemotra isika fa tsy mandroso. Vanim-potoana tahaka izao ve no mbola ahitana olona rakotry ny parasy ary nisy mihitsy ny maty. Tokantrano tsy ahahaka ity, ary tsy isika intsony no hanome naoty ny fiainan'ny mponina fa efa ny any ivelany mihitsy no milaza fa firenena mahantra i Madagasikara, ka ny parasy avy no efa mamono olona fa tsy ny baomba toy ny any amin'ny firenena miady atsy Iraka.




Asa fanaovan-gazety
Voahelingelina sy tratry ny ramatahora
Tsy navela haka sary sy nanao ny asany ireo mpanao gazety tonga nanatrika ny lozam-piarakodia izay nahafatesana tovolahy kely teo akaikin'ny « Travaux »-Besorohitra, tao Fianarantsoa ny zoma tolakandro lasa teo, tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Manamboninahitry ny tafika iray no tompon'ilay fiara nandona ka nahafaty ity tovolahy kely eo amin'ny 10 taona ity. Tsy vitan'ny hoe nandrahona ireo mpanao gazety tonga teo ity manamboninahitry ny tafika ity fa mbola nanompa ihany koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy azo alaina sary hono ny fiarany raha tsy te-hahita loza ireto farany ireto. Nisy olona nanatrika teo nahazo totohondry mihitsy aza. Izany ve no gisa lahy mangala-ketsa sa ?
Ny asa fanaovan-gazety no voatohintohina amin'ny toe-javatra toy itony ka iantsoana anareo manam-pahefana feno mba hijery akaiky ny zava-misy aty amin'ny faritra aty.
Misy marina ve ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, sa rehefa azo ampatahorina na any amin'ny tany lavitra andriana dia azo anaovana ramatahora ?




Ben'ny tanàna eto Iarivo
Mpanao politika iza no hihaona aminy ao Paris ?
Anio no fantatra fa hiainga ho any La Frantsa ny ben'ny tanànan'Antananarivo, Andry Rajoelina. Fivoahana fanindroany teto Madagasikara taorian'ny naha-lany azy hitondra ny tanàna eto an-drenivohitra, ary fanasana nataon'ny mpandraharaha any amin'io firenena iray io. Voalaza fa hisy mpitondra fanjakana ambony any Frantsa vonona ny hiara-miasa amintsika ka antony iray hiazoany any Paris izany. Raha ny fantatra dia maro amin'ireo Malagasy mpiray tanindrazana no maniry hiaona amin'ity TGV ity, ary izy rahateo efa nanambara fa tsy manavaka na iza amin'ny mety hisian'ny fifanantonana nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier sy ry Pierrot Rajaonarivelo, dia mety hifandray tanana amin'ity ben'ny tanànantsika ity. Tsy ferana ihany koa anefa ny mety tsy hihaonany amin'ireo, satria tery ny fotoana handalovany any.
Raha ny eto amintsika indray, dia nihaona tamin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza izy, izay fihaonana eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka, ary tsy diso anjara tamin'io ny fanatsarana an'ity tanàna iombonana ity.




Ripaka ny omby gasy
Iharan-doza ny omby malagasy ! Mirongatra manerana ny nosy ny halatra omby tato ho ato ka tsy ny olona mpanara-dia ihany no lasibatra fa vonoin'ny dahalo hatramin'ny omby. Ela koa ny ela fa nanjary nisy ny omby maty tafihan'ny biby (kongona sy dinta) teto amin'ny nosy, misy aza dia aretina hafahafa fa mankarary ny fofona avoakany. Eo amin'ny halatra omby aloha dia tsy voafehy intsony satria tonga any amin'ireo dahalo ny basy. « Kalachnikov » miisa 4 izao no nentin'ny dahalo nanafika ny kaominina Mahaboboka, any Sakaraha tamin'ny herinandro teo, ka nahafaty olona iray tamin'ireo mpanara-dia, nefa vao tsy ela akory no nisy omby miisa 68 very tany an-toerana . Tany Vohemar koa dia nahaverezana omby miisa 13 ka nifanatrehan'ny zandary tamin'ny dahalo miisa 10, ka ny 3 ihany no voasambotra. Arahana basy avokoa ny fanafihana ka eo indrindra no mahagaga. Avy aiza ireny basy ireny ? Iza no mamatsy, sy manome fiofanana satria havanana tokoa ry zalahy amin'ny fitanana ny basy. Amin'izao fotoana izao moa dia isan'andro no andrenesana ity halatra omby ity, ary mila ho henjana satria efa betsaka ny mpiompy very hevitra, toy ny any Matsiatra ambony any, izay tsy afa-mamokatra intsony fa miambina tanàna fotsiny.
Etsy andaniny moa dia sadaikatra ny faritra sasany noho ny afitsoky ny zandary satria dia aleon'izy ireo hono mifanena amin'ny dahalo toy izay hifampiraharaha amin'ny zandary. Eo angamba ny fitaovana tsy ampy, nefa misy koa ny zandary manampatra fahefana ka maka vola mihoapampana.
Ny tafika koa moa ity nafantoka amin'ny fiovana maitso, nefa ny asan-dahalo dia mitaky ny fiasan'izy ireny satria ry zalahy ireny no mitovy fahaizana mitam-basy amin'ny dahalo.




Anjozorobe : Omby matin'aretina
Voan'ny tazo ny mpandrasa hena
Tao anatin'ny tapa-bolana monja dia omby miisa 13 no maty vokatry ny aretina tsy fantatra tany amin'ny kaominina Ambohimirary, anatin'ny distrikan'Ankazobe.
Araka ny vaovao azo dia malain-komana sy miha mahia ny omby tratry ny aretina. Mibontsina ny kibony ary miafara amin'ny fipoahana ka mahafaty ny omby. Na izany aza dia nikiry namono ny omby tratry ny aretina ny mponina sasany ka mihinana ny hena.
Tsikaritra anefa fa tratry ny aretina ihany koa ny olona mandrasa ny omby marary satria misy fofona mahery ny rano miangona tao amin'ny taovan'ilay omby. Vokany dia voan'ny tazo mahery ireo mpandrasa omby. Voalaza kosa anefa fa mbola tsy nisy ny olona namoy ny ainy na dia mihinana ny henan'ny omby marary aza.
Efa tonga nijery ifotony ny fisehoan-javatra moa ny dokoteram-biby ka nandray fepetra nisorohana ny fihanaky ny aretina. Amin'izao fotoana izao dia efa nitsahatra ny fisian'ity aretina ity, izay mbola tsy fantatra marina aloha hatramin'izao.




Faritra Matsiatra Ambony
Manani-bohitra antoandro ny dahalo
Mirongatra ny asan-dahalo any amin'ny kaominina Andoharanomaintso iny. Miraviravy tanana ny vahoaka noho ny habibiana afitsok'ireo mpandroba ireo. Nandritry iny volana janoary iny dia tanana maherin'ny folo no norobain'ny dahalo ary ny tena loza dia tsy ny omby fotsiny no alainy fa hatramin'ny fanaka ao an-trano , na ny vilany aza. Tsy mihafahafa koa izy ireo ny handatsaka ny aina. Tsy amin'ny alina intsony toy ny taloha izy ireo no mandroba sy manafika fa na mbola tolakandro (amin'ny 4 ora ohatra). Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina satria ny hery tokony hamokatra reraka noho ny fiambenana amin'ny alina. Vokatr'izany dia miharava ny fifampitokisana eo amin'ny mpiray tanàna sy mpiray fokontany satria mifampiahiahy ny rehetra ka very ny soatoavina maha-malagasy. Samy manavotra ny ainy sy manao izay hahatafavoaka azy fa tsy matoky ny hafa intsony. Fa ny tena loza dia tsy matoky ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra fanjakana koa ny vahoaka. Misy mihitsy ny vaky vava hoe : « Aleonay mifanena amin'ny dahalo toy izay hifanehatra amin'ny zandary ».
Mahalasa saina sady mampatahotra izany teny izany... Mitondra basy mahery vaika ireo dahalo ireo ka lasa ihany ny eritreritra hoe : avy aiza no nivoahan'ireny ?
Isan'ny nanaitra ny maro ny fandrenesana fa hay na eo amin'ny kaominina andrenivohitr'i Fianarantsoa aza dia mbola anjakan'ny asan-dahalo. Nentiny ny ombin'olona iray tao andrefan'Antsahamasina tamin'iny fisasahan'iny volana janoary iny ohatra.
Na dia eo akaikin'ny foiben'ny mpitandro filaminana aza dia tsy afa-bela amin'ny asan-dahalo !
Ny atahorana dia sao dia ny dahalo no hametraka sy hampihatra ny lalàny ka tsy ho voafehy intsony, indray andro any !




Antoko AKFM
Fandraisana andraikitra ny tsy mifidy
« Tsy hakanosana ny tsy filatsahana ho fidiana, fa isan'ny fandraisana andraikitra ihany koa ny tsy miditra amin'ny sehatra tahaka izany. Kizo ny fanatanterahina ny fifidianana, ka tsy hiroboka amin'ny tetika maloton'ny fitondrana izahay ». Isan'ny nambaran'ny antoko AKFM ny tokony hanitsiana ny lalam-pifidianana. Io no fototry ny olana, satria nisy ny fahavoazana nihatra tamin'ny mpikambana tao amin'izany antoko izany raha nilatsaka ho fidiana nandritra ireny fifidianana nifanesy farany teo ireny izy ireo. Tany amin'ny faritra moa no nisian'izany, ary voalaza fa mpitandro ny filaminana no nampiasa io herisetra io. « Ny maika izao dia ny famonjena ny vahoaka izay tratran'ny fahatrana izay efa mila hamono azy. Io no tena fampandrosoana maika. Ny eo anivon'ny antoko mpanohitra, dia io hiarahana mahita io, ny tsy fitovian-kevitra matetim-pitranga ao anatin'izany antoko izany, kanefa raha misy milatsaka dia ho hita eo ny mety hifanohanana ».




Mpanolontsaim-paritra
Tsy nahataitra ny maro
Nifarana omaly tamin'ny 5 ora hariva ny fametrahana ireo antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izay ho mpanolontsaim-paritra eto Madagasikara. Raha ny teto andrenivohitra manokana, dia tsy nisy afa-tsy ny kandida TIM no nanatitra izany tamin'ny ora farany. Nisy ihany koa ny kandida manalasala iray izay nokilasian'ny maro ho tsy matotra satria na ny biletany aza tsy nisy fony ity vehivahy ity nilatsaka ho ben'ny tanàna teto andrenivohitra farany teo. Toerana dimy no hiadiana raha ny eto Antananarivo renivohitra. Ho an'ny faritra Avaradrano dia seza roa ary ny TIM sy ny fikambanana « Tanora Avaradrano matoky mandray andraikitra » no hifaninana eny. Ho an'ny faritra Atsimondrano kosa dia eo ny TIM, ny AFABE, ny ALDR, ary ny « Tanora vonona Atsimondrano ». Hita ho tsy nahasarika ny antoko politika raha ity fifidianana indray mandeha ity no asian-teny, satria saika ireo fikambanana samy hafa no sahy hisedra ny antokon'ny fitondrana.




Feno fitaka ny tany
Gina indray ny maro raha nahita fa tsy isan'ny ho kandida natolotry ny antoko TIM teto andrenivohitra ilay ranamana mpikarakara tanora sady mitantana radio iray eto andrenivohitra. Fa nisy inona tao, hoy ny mpitazana ? Tsy hidirana lalina ny amin'io satria fomba eo amin'ny tontolo politika ny tahaka izao. Porofo iray mitohoka amin'ny rehetra, fa tsy mora ho an'ny antoko matanjaka eto amintsika intsony ny mijery olona mahatoky atolotr'izy ireo. Porofo tsy azo lavina ny mahita ny fiovam-penitra isaky ny fifidianana toa izao. Ny olona ve moa tsy ho hisy, fa iza kosa no mahatoky sy be vola afaka mamaly ny filan'ny manodidina rehefa ao anaty fampielezan-kevitra ka tena hita fa manjaka.
Mazàna na dia mamim-bahoaka ao amin'ny faritra iray aza ilay olona, ary nitana ny foto-kevitry ny antoko nisy azy, dia tsy mba ho isan'ny ao anaty lisitra ny olona sahirana. Koa ho diso ve izy ireo raha lasa misitaka manangana fikambanana hafa ? Feno fitaka ny tany o ?




Raharaham-pirenena
Nivadika i Ramino Jean
« Mahaiza mandinika ry mpitondra fanjakana, fa efa tsy mahataitra ny maro intsony ny karazana fampisehoana ataonareo. Isan'io ny fidinanana izay atao eto, ka tsy mahazo ny antsasaky ny mpifidy, ary raha miroatra indray izy ireny, dia mifidy olon-kafa toy ny hita teto Antananarivo ireny. Ny fahoriam-bahoaka no maika avotana indrindra, satria latsaka ankaterena lalina izy io, ary saika hilatsaka aho tamin'ity fifidianana indray mitoraka ity, nefa hitako fa tsy maika io raha mitaha amin'ny fahavoazana mianjady amin'ny mpiray tanindrazana », hoy i Ramino Jean. Nomeny tsiny ihany koa ireo mpanohitra mitaky ny hanovana ny lalam-pifidianana misy eto. « Nahoana », hoy ingahy Ramino Jean, « raha fony ianareo nitondra no nanaovana izany, fa tsy rehefa mahazo laka amin'io ny mpitondra ankehitriny vao mitaky fiovana toy izao ? Nivadika izany », i Ramino Jean, izay sady mikopaka fatsy ny mpitondra, no mandefina ivoho ny mpanohitra.




CROUA sy ny mpianatra
Ho faizina ny tsy manara-dalàna
Ny alatsinainy teo no niravona ny disadisa teo amin'ny mpianatra sy ny CROUA. Hiarahana ny asa fanadiovana, ary tsy maintsy esorina amin'ny toerana izay olona milaza azy ho mpianatra nefa tsy ara-dalàna. Natsangana noho izany ny solontenan'ny mpianatra iray isam-paritra handrindra ny fahazoan'ny mpianatra trano fonenana, ary any amin'ny fikambananan'ny mpianatra no handinika io taratasy io. Ialana amin'ny mety hisian'ny kolikoly dia samy hanara-maso ny fomba fiasan'ireo solontena ireo ny mpianatra rehetra. Mahatratra 775 ny mpianatra mangataka trano fonenana ho an'ity taom-pianarana 2007-2008 ity hoy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny CROUA Rakotonarivo William, ary ny ankizy manana fahasembanana kosa dia hojerena manokana ny ahazoany izany.




Amin'ny finoana sy ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy teo amin'ny faha 59 taonany tamin'ny alarobia 06 febroary 2008
Hoy
Ny vadiny :
Jeneraly (ER) RALAIZAMARY Guillaume Gilbert
Ny zanany :
RALAINDRATSIRY Lalaniaina Godfroy sy Fanja
RALAIZAMARY GUEVARA Robel sy Josette
LALAOARISOA Guy RALAIZAMARY sy Sandra
Ny zafikeliny :
Guenola - Jeremie - Santatra - Isaia - Princy - Danieli - Mike - Jacky - Neticia - Jessie
Ny iray tampo aminy :
RABEARISOA Joseph
RAZANAMIANDRISOA Pauline
RAVOLOLONIAINA Josephine
RAZAIARIVELO Ernestine
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RASOAVELO Feline
RAZARIFILY Lucile
IARMALZAI Abdon
RAZAIMIALY Nicole
IMARZALIA
RAILIMAZA Esirit
Ny havany :
Terak'Itompokolahy RATSIRINDRIZA Onésime
Terak'Itompokovavy RANEKA Blandine
Terak'Itompokolahy RALAVY Athnase
Terak'Itompokolahy RABETAFIKA Oswald
Terak'Itompokovavy RASOAMBOLANORO Charline
Terak'Itompokolahy RABENIAINA Marcellin
Ny Andiany faha IV (SAINA), faha XIII (Colonel RAKOTONIRAINY Alphonse) tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe
Ny Fiangonana APOKALIPSY
Ny zanak'ampielezana FJKM Kristy Fehizoro Ambositra
Ny Fokontany Avaradrova Isoanala
Ary ny fianakaviana manontolo
Ny nofony dia hiala ao Androndrakely lot IVM 9 Ter E (près CAROMAD) ny alakamisy 7 febroary 2008 amin'ny 8 ora sy sasany . Ho entina any Ambositra ka atao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Kristy Fehizoro Ambohipierenana alohan'ny hanaterana azy ao amin'ny fasan-drazany SOAROLAMA ISARINA ny sabotsy 9 febroary.
« Ny zanako sy ny asan'ny tanako
dia aoka ho adidiko ihany »
(Isaia 45/11)




« ... de la colonisation à la IIIe République »
Le livre du Père Ralibera se vend bien
Les révélations et témoignages fracassants du Père Rémi Ralibera dans son livre « Souvenirs et Témoignages malgaches, de la colonisation à la IIIe République » intéressent les lecteurs. Editée à la SME (Société Malgache d'Edition), la « Foi et Justice » a pu vendre en un mois seulement, environ 900 exemplaires. La « Foi et Justice » a fait éditer 3.000 exemplaires. D'après les explications d'un libraire, 900 exemplaires en un mois est une meilleure vente pour un livre écrit par un Malgache et édité à Madagascar. A rappeler que dans ce livre, le jésuite Rémy Ralibera raconte sa vie et fait des révélations sur certains mystères de l'histoire politique du pays dont l'assassinat du colonel Richard Ratsimandrava.




Efa ela no karemy
Miditra amin'ny karemy ny mpino kristianina katôlika, ary ny silamo ihany koa dia efa manao izany fifadian-kanina izany, ho fanomezana hasina izay tompoany eo amin'ny sehatry ny finoana. Raha ity resaka karemy ity no jerena, dia fifadiana hena no atao, ary ny hafa moa dia ny tsy fihinanana hanina ny tontolo andro. Raha ny Malagasy manokana no jerena, dia efa ela no karemy, satria firy amin'ny Malagasy no mba afaka mihinan-kena isan'andro ? Na ranon-taolana aza tsy miditra ny vava, fa ny anana no zary atao mameno ny vilany miaraka amin'ny sosoa be ranony. Iza no tsy mahafantatra fa na io vary io aza dia misy indray mandeha isan-kerinandro vao mba mihinana izany, fa ny bala hazo sy ny batata no zary sakafo mahavonjy azy isan'andro. Firy amintsika no mbola manaraka io fifandian-kena io ? Azo tsorina fa na toy inona ny finoanao, raha mahita hena miraviravy, tsy maintsy mihinana, na ao anatin'ny karemy aza, satria impiry mba ahita toy izany ? Kristianina maro no nanambara izany, izay hita fa taratry ny tsy fahampiana avokoa, koa heloka ve ny fandikana ny karemy ho an'ny sasany ? Ny Ray ao ambony angamba no hitsara antsika amin'izany.




Antoko Teza
Kivy ratsy amin'ny TIM
« Nandalo ambaratongam-pifidianana maro ny teto Madagasikara, ary samy nahatsapa isika fa tsy nandeha amin'ny tokony ho izy ireo lamina sy ny tena fampiharana ny lalàna nataon'ny Governemanta ». Izany no nambaran'ny loholona, Rakotoamboha Jean Louis avy ao amin'ny Teza. « Maro ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany na eo anivon'ny kaominina izay mipaka hatrany amin'ny faritra ataon'ny antoko TIM », hoy izy. « Misy ny fanerena ny mpiasam-panjakana toy ny sefo Cisco sy ny Dren, ireny dia tokony ahitsy eo amin'ny lafiny ara-demokratika. Tsy ny mpanohitra ihany, fa ny ankamaroan'ny olona rehetra dia hita fa kivy ». Noho ireo dia tsy hanohana na hiaraka amin'ny antoko TIM ny Teza, tsy ny fametrahana ny rafitra miainga any amin'ny fokonolona no tsy tianay, fa ny fomba entina mandrafitra ireo fahefana no tsy mety. Fotoana fanarenana ny lesoka izao, ary mbola azo atao tsara ka aoka hieritreritra ireo mpitondra fanjakana eto Madagasikara. Tsy ao anatin'ny « mouvance » ny Teza, ary raha mahita ny rehetra tsy mba niaraka tamin'ny antokon'ny fitondrana, fa nandeha irery foana, ary ny andraikitra napetraky ny Teza dia miaro ireo fotokevi-dehibe amin'ny ara-dalàna, ary manitsy ireo lesoka. Hita anefa fa maro ny lesoka tsy azo ahitsy. Nitaky izahay ny hanafoanana ny faritany mizaka tena ary apetraka ny faritra ara-toe-karena. Miantso ny mpikambana eny ifotony ao amin'ny antokonay izahay, hoy ingahy loholona mba hijery ny tetika afahana mametraka io rafitra ara-toe-karena io.




Anosibe
Feno « lôtô » sy kodiakely
Nipoitra eny Anosy ka hatreny Anosibe efa ho herinandro maro izao ny lôtô sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Ankalamanjana no sady misy loka mihitsy ny lalao. 5 na 6 eo no faritra misy ity « lôtô » ity amin'ireo toerana voalaza teo ireo. Tovolahy roa na telo no miantoka isan- databatra. Mpanao fanatanjahantena ny maro amind-ry zareo. Somary vaventiventy sy nofosana ny sasany. Velarina eo amoron'arabe ny entana manintona maso toy ny fahitalavitra, fakan-tsary, koveta, sy fitaovana somary lafolafo vidy. Ireo hono no loka. Misy ny karatra vidiana ar 100 ny roa. Mety ahazoana entana moramora vidy. Ny 200 ariary kosa dia mety hahazoana fahitalavitra na radio. Tarehimarika tokana isaky ny karatra ihany koa io. Tsy manomboka anefa ny lalao raha tsy mahalafo karatra 20 na 30 isa ny mpikarakara. Roboka ny maro ka vetivety dia tratra ny fetr'isa. Iretsy loka aranty rahateo manodoka (jereo ny sary). Aorian'izay dia tononina ny tarehi-marika. Tapitra ny lalao rehefa avy manonona tarehi- marika impolo ny mpikarakara. Talanjona sy gaga anefa ny mpiloka maro satria tsy mipoitra mihitsy ny marika amin'ireo karatra lafo. Tsy ampiasaina mihitsy ireo tarehi-marika amin'ny karatra amidy raha ny marina. Be no mikaikaika rehefa voa. Tsy vitsy koa ny velon- taraina. Saika ny mpilalao rehetra mihitsy moa izany. Mpiasa an-trano irahina miantsena no ankamaroany. Miampy zatovo lahy sy vavy tsy an'asa na sendra nandalo. Mandray anjara koa eto ny ankizy, afa-tsy ireo manao aron'akanjo. Izany hoe mpianatra.
Eo an-damosin'ny « lôtô » kosa no misy ny « kodia kely ». Mahasarika ireo mpianatra indray izy ity. Ao ny avy an-tsekoly, ao koa ny mbola ho any sy ireo manao récréation. Tsy misy fetra rahateo ny « lalao ». Amin'ny 7 maraina dia efa eo. Ampitomboina ny latabatra rehefa tonga ny ora fiantsenana sy firavan'ny mpianatra.
Fitadiavam-bola taloha no miverina ny lôto sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Mitodika amin'ny olona sahirana sy tsy an'asa ity tranga vaovao ity. Efa nisy hatry ny ela teny Anosibe ireo karazan-doka ireo. Manjary mahazo laka sy miitatra amin'ny faritra hafa izy izao. « Aleo mampirevytoy izao toy izay mangalatra ». Izany no valin-teny omen'ny « mpikarakara » raha nanontaniana ry zalahy.
Hita eny an- toerana fa mibahan-dalana toy ny mpivarotra amoron-dalana ny toeram- pilokana. Amin'iny lalana nitokanan'i Jacques Chirac iny izy ireo no miasa (RN1). Samy maka ny toerany avy. Malalaka rahateo ny sisin- dalana. Malalaka toy izany koa ny fihariana.




Aleo mangina
Tsy taitra ny olona, ary ny kandida mpilatsaka aza toa tsy rototra. Fifidianana inona ity, ary inona no tena andraikitra ho raisina eo amin'ny fampandrosoana ? Ireo no heno ao ambavan'ny rehetra raha mandre ilay fifidianana izay ho atao amin'ny 16 martsa ho avy izao. Toa tsy latsa-paka ao an-tsain'ny be sy n'ny maro izy io, kanefa ny ny lalàmpanorenana no mametraka io ka tsy maintsy atao.Tsy rototra ny mpanohitra, ary manangam-bovona ny tsy mpandray anjara hoe mitongilana ny demokrasia eto amintsika. Porofo mitohoka amin'ny tsirairay fa hifantohan'ny rehetra ihany ilay fifidianana, saingy ny fanjakana mihitsy angaha no tsy mety ? Zary lasa hifandroritana lava izao ny fifidianana eto Madagasikara, kanefa ny vahoaka ihany koa tsy ho pempoana lava izao izao amin'izay safidy hananany. Lany andro ny foto-kevitra fa tavan'olona no hifampitsarana, ary midika io fa aleo mangina fa, tsy isika mianakavy ihany ve no ho tsarain'ny latsa-bato ataon-tsika e.




Antsiranana
Nihemotra kely aloha ny Jirama...
Marimaritra iraisana ! Toa izay foana no mampilamina zavatra eto Madagasikara. Tsy misy hevitra na fanapahan-kevitra hentitra enti-mitantana hatrany. Hatramin'izao aloha ary, dia tsy mieritreritra ny hanapaka ny jiro ao amin'ny kaominin'Antsiranana ny Jirama, taorian'ny fifanarahana mikasika ny trosan'ny kaominina teo aloha ka tsy voaloa.
Trosa nanomboka ny taona 1998
Tany amin'ny faraparan'ny taona 2007 no niseho ny olana, ka nisian'ny fanapahana nisesisesy tao amin'ny tanàna. Mahatratra 2 miliara sy 423 tapitrisa ariary ny trosa, manomboka ny taona 1998 hatramin'ny volana aogositra 2007. Nandefa taratasy ofisialy tany amin'ny fitondram-panjakana ny Jirama nampahafantatra ny zava-misy. Nisy araka izany (satria tsy ny tany Antsiranana ihany ny seho) ny fanapahan-kevitry ny Foibe handoa ny trosa rehetra eny amin'ny toeram-panjakana, ka ny trosa hatramin'ny taona 2005 ihany no voakasik'izany.
Raha ny mikasika ny kaominin'Antsiranana manokana no resahina, dia tafakatra 289.529.506 Ariary ny vidin-jiro sy rano taona 2006 ; 363.146.947 Ariary kosa ny momba ny taona 2007 manontolo. Na izany aza anefa, misy volan'ny kaominina efa nahazoany « ordre de prétention », vola avy amin'ny hetra, mitentina 440.607.243 Ariary, any amin'ny JIRAMA. Mihevitra ary ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina fa tokony esorina amin'io ny trosan'ny taona 2007, satria hananany ambim-bava eo ho eo any amin'ny 77 tapitrisa Ariary indray aza ny orinasam-panjakana mpanome jiro sy rano.
Mitomboka indray
Izany rehetra izany tsy manakana ny fotomboky ny vola efaina any amin'ny Jirama, manomboka ny volana janoary 2008, manodidina ny 23 tapitrisa Ariary, izany hoa latsaka 7 tapitrisa Ariary kosa amin'ny mahazatra. Ankoatr'izay voalaza izay, dia manambara ihany koa ny kaominina fa misy vola mitentina 327.117.392 Ariary any amin'ny JIRAMA, azony amin'ny anaran'ny kaominina avy amin'ny « taxes sur taxes. » Marihina anefa fa tsy azo kasihina velively io satria atokana hatrany amin'ny fanitarana ny fanomezan-jiro na rano ny tanàna manodidina.




Ny vadiny :
TAFANGY Marguerite
Ny zanany :
FOZARA RANDRIANJAFY Mickaël, Antonio, Iris, Noëlys.
Ny Reniny :
Jeanne BERNADETTE
Ny reny nitaiza azy :
RAMAKARARO, R. Vincentine
Ny Iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Dia maneho ny fisaorana mitafotafo :
* ny havana aman-tsakaiza rehetra
* ny fikambanana FIZA, FIANTA, SAMIA
* ny mpiara-miasa amin'ny vadiny ao amin'ny CEG Ambohidratrimo
* ny FKT 67 Ha Afovoany-Andrefana sy ny mpifanolo-bodirindrina
Tonga nidodododo sy nampionona ary nampitraka tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly soa anareo, ary miala tsiny amin'ireo izay tsy tratra antso nohon'ny hafenoan-drano be loatra.




RABEKOTO Roger Michel (Boly)
Ny zanany :
RANDZA, FANO
Ny iray tampo aminy
Ny fianakaviana manontolo
GROUPE BOLINOR
dia maneho fisaorana sy fankatelemana ary fankasitrahana ho anareo, tonga nidodododo sy nampionona ary nampitraka tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly soa anareo ary miala tsiny amin'ireo izay tsy tratra antso, nohon'ny hafenoan-drano be loatra.




Vonjeo fa potika ny tanàna
Tsy hifaniliana na hifanome tsiny lava eto isika fa atombohy ny asa fa potika ny tanàna. Io no handrasan'ny vahoaka amin'ireo mpitantanana ny tanana eto Iarivo, raha mahita ny fahavoazan'ny làlana feno lavaka etsy sy eroa. Saika ahitana io lavaka io avokoa ny lalana rehetra eto andrenivohitra amin'izao, ka miteraka fimenomenomana eo amin'ny amin'ny mpampiasa ireny lalam-bahoaka sy fiara ireny. Fa nankaiza ny mpitondra hoy ny maro ? Tsy misy ny vola fa lanin'ny teo aloha hoy indray ny hafa. Tsy izay anefa no valiny tokony omenan'ny mponina mpandoha hetra, satria matoa eo, dia mitondra vaha-olana. Olona heverina fa afaka ny hamaly ny hetahetam-bahoaka ireo mpiara-miasa amin'ny ben'ny tanàna, izay iza no tsy mahafantatra ny nihavian'ireo, kanefa toa mitazana fotsiny ny fahavoazan'ny tanàna ? Sa tsy mahatapaka ahitra raha tsy tonga avy any ivelan'ny ben'ny tanana ? Fanamby lehibe anefa nio tsy maintsy hifaninana, satria ny olona nodimbiasana teo valo volana nahavita, fa tsy sanatria valo volana handraisana fahefana fahapotehana no hita. Dia mirary ny soa ho an'ny mpitondra vaovao eto andrenivohitra mba ahavita be satria iarahana manana ity renivohitry ny nosy ity, fa tsy sanatria natao hialokalofan'ny olona very seza rehetra tany amin'ny antoko tany.




Entana avy any ivelany
Misongadina ny fanatontoloana
Zava-misy manerana izao tontolo izao ny fahaiza-mikaroka ara-toekarena, ataon'ny mpila ravinahitra eto amintsika amin'izao fotoana izao.
Tao anatin'ny taona 5 na 6 izay dia nisongadina teto amintsika ny tera-tany avy any Azia any ka nanova endrika ny tanàna mihitsy amin'ny alalan'ny toekarena. Nampanana asa ireo tanora maro. Navadik'ireto vahiny ireto ho tranom-barotra avokoa ireo trano amoron-dalana nikatokatona toy ny teny Behoririka, Analakely. Ny tenan'izy ireny mihitsy no nitana ny tranom-barotra tany am-boalohany. Niova tsikelikely ny tantana ka nampanofaina amin'ny mpivarotra malagasy indray ny trano rehefa toa nifanaraka fa ny entana avy any aminy ihany no amidy. Tsikaritra izany noho ny vidiny mora kokoa sy ny kalitao tsy dia manao ahoana.
Niha niharihary ny fahaiza-manaon'ireto vahiny nandalina ny toekarena satria mijery ifotony ny filan'ny vahoaka malagasy ry zareo. Ireo zava-misy eto an-tanindrazana ihany no nanaovany fikarohana. Ny zaitra an-tsena no nalain-tahaka voalohany izay fiveloman'ny mpivaro-mandeha. Tonga tany ambanivohitra anefa ny akanjo vitan-dry zareo izay mitovy tsy misy valaka amin'ireo vita gasy. Niditra ihany koa ny peta-kofehy vita amin'ny milina, ary nisongona ny peta-kofehy malagasy nalaza eran-tany. Ankehitriny dia mila ho tapitra voatrandrak'ireto vahiny ny asa tanana malagasy rehetra satria ireny fitaovana vita amin'ny bararata ireny dia efa voadika amin'ny akora hafa. Ny asa tanana vita amin'ny tanimanga, indrindra ny tavim-boninkazo dia efa nosoloina plastika ihany koa. Ny vidiny kosa dia nezahina hitovy saingy latsaka kokoa ny vidin'ireo vita avy any ivelany. Ny tavim-boninkazo plastika dia ar 1000 hatramin'ny ar 5000. Tsy azo odian-tsy hita koa anefa ny entana hafa avy any ivelany izay nisantatra ny fisongonana ny fitafiana vita malagasy dia ny lamba efa nampiasaina « fripérie ». Nanenika ny nosy izy ity, ka mora dia mora ny vidiny, miainga amin'ny ar 300 ohatra ny vidin'ny akanjon'ankizy...Lalànan'ny varotra eran-tany io izay tsikaritra fa mahatafiditra tanteraka an'i Madagasikara ao anatin'ny fanatontoloana.




Fotodrafitrasan'ny kaominina
Mitombo ihany ny fahapotehana
Miha potika ihany ireo fotodrafitrasa eto an-drenivohitra ka saika ireo fotodrafitrasa vao naorin'ny kaominina no lasibatra. Efa niaraha-nahita ireo fahasimbana teo Analakely. Tsy nisy tazana intsony koa ireny takela-by ireny, indrindra ny amin'ny toerana mangingina. Tsy fantatra loatra izay olona tsy mahatandrina ireny, fa tato ho ato kosa dia hita ny fahasimbana noho ny tsy fitandremana. Vao tamin'ny alakamisy alina teo koa no nisy fiara vaventy nitondra kaontenera avo be niditra tamin'ny lalam-baovao anosibe iny. Voafetra ny haavon'ny fiara afaka mandeha eo, saingy tsy nanaja izany ity fiarabe ka nisisika, ary ny vokany dia potika tanteraka ilay vy mametra ny haavon'ny fiara. Naharitra hatramin'ny zoma maraina ny fanesorana ilay vy sy ilay kamiao izay navela nandeha ihany. Teraka teo ny fitohanana ka maro ny mpiasa sy mpianatra tara fidirana. Ireo fitaovana napetraky ny kaominina ka vita amin'ny metaly dia ataon'ny mpangalatra majifa avokoa. Soa fa efa ao anatin'ny fanadiovana ny tananan'Antananarivo ka ho laharampahamehana ny fanaraha-maso ireny fitaovana ireny.




Politika :
Maraniharisy : Akaiky ny farany
« Tsy resy tsy miady izahay raha tsy mandray anjara amin'ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaim-paritra ny 16 Mars izao. Iza no atao lasibatra amin'ny hala-bato lava izao ». Io no nambaran'ny depiote teo aloha Maranoharisy. Nisy ny fifanarahana nataon'ny mpanohitra rehetra ny tsy handraisana anjara amin'io fifidianana io, ka hoe hianjahanja eo ny mpitondra sy ny ekipany. Tany tsy misy demokrasia eto, noho izany tsy marisika mifidy ny vahoaka, saingy rehefa mahita kosa fa misy olona afaka hitondra ny hetahetany, dia mirohotra izy, toy ny hita nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna farany teo. « Akaiky ny farany amin'ny fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ka mahareta fa tsy maintsy hisy vokany ny fahanginana » hoy ihany ity depiote teo aloha ity, satria tsy resy akory ny olo-mangina.
===========================
Razakarimanana : Misy lanjany, saingy...
« Ny faritra no nasolo ny faritany mizaka tena, ary heverina fa misy lanjany io fa ny fanatanterahina azy no tsy mamely. Raha mihevitra ny fanjakana fa ny tena hiroso amin'ity fampandrosoana isam-paritra ity, dia tokony ho gaga mahita ny tsy fandraisan'ny antoko politika anjara amin'io. Manana ny olona mpanara-dia azy ireo antoko isan'isany ireo, ka hatraiza ny mety ho risimpon'ny tsirairay manolona izany ? Io no nambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand, izay mbola nanamafy fa mety hiena hatrany ny olona tokony handatsa-bato amin'io fifidianana ho hatrehantsika atsy ho atsy io. Kely finoana ihany koa ity Jeneraly ity ny mety mbola hisian'ny fifanatonana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra. 6 taona no nangatahana izany, kanefa tsy nisy niheno ny teo amin'ny fitondrana, izay toa midika fa izy irery no afaka mampandroso ity tanindrazana iombonana ity. Ny tsapa anefa dia reraky ny mifidy ny vahoaka, ary toa takonana lava amin'io fifidianana io ny tsy fahombiazana.
===========================
Naivo Raholdina : Mila ampiana izay mitondra
« Tsy valifaty no tanjona fa fifanomezan-tànana. Io no tanjonay ato amin'ny FAFI V, izay fikambanana mpanao asa soa ao amin'ny boriborintany faha 5. Na nanohana ny PDS Hery Rafalimanana aza izahay, dia vonona kosa hanohana ny ezaka izay tian'ny ben'ny tanana Andry Rajoelina atao eto amin'ity renivohitra ity. Hitohy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatajahan-tena ataon'ity fikambana iray ity ». Isan'ny nambaran'ingahy Naivo Raholdina tao amin'ny accem Radio omaly izay nambarany hatrany fa tsy afaka misaraka amin'ny politika ihany koa ny tenany na dia mpikabary aza.




« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho »
(II Tim. 4 : 7)
Noho ny fihavanana dia ampandrenesina ianareo fa ny hava- malalanay :
dia nodimandry ny sabotsy 9 febroary 2008, teo amin'ny faha 84 taonany.
Hoy
Ny zanany :
Yollande sy Malanjaona RAKOTOMALALA (France)
Annick sy Thierry ZINZEN (France)
Haingonavalona Mireille RAKOTOARIVONY
Gary sy Nelly RAKOTOARIVONY (France)
Eric sy Mireille RAKOTOARIVONY ( France)
Holly sy Michel ANDRIANARIVELO
Dr Christel sy Lisiharinoa RAKOTOARIVONY
Elie David Patrick RAKOTOARIVONY
Ny zafikeliny :
Dina Lalaina sy Patricia ; Hasina ; Rija RAKOTOMALALA (France)
Dany Christopher sy Lamy RABERANTO ; Jonathan ; Sandra Lee ZINZEN (France)
Miara ; Antsa RAKOTOARIVONY (France)
Hanniel ; Christia ; Kevan RAKOTOARIVONY (France) Miharisoa ; Harilanto ANDRIANARIVELO
Tinà ; Allan ; Steven RAKOTOARIVONY
Ny zafiafiny :
Tiffenne ; Tony ; Sidney (France)
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy RAVONINJATOVO sy Itompokovavy RAZAFINDRASOA
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Dr ANDRIANARISOA François sy Itompokovavy RAVAOZANANY Gabrielle
Ny Fianakaviana manontolo
Ny fikambanan'ny mpivarotra ao amin'ny Pavillon Analakely
Ny FJKM Amparibe Famonjena
Ny FJKM Merikanjaka Fitahiana
Ny fokontany Andravoahangy Atsinanana
Ny Fokontany Soavina Merikanjaka
Ny nofony dia entina hiala ao an-tranony, Lot II L 41 Bis Andravoahangy, ny Alarobia 13 febroary 2008, amin'ny 12 ora sy sasany antoandro , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Amparibe Famonjena , alohan'ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drazany, eny Soavina Merinkanjaka Masindray.




Sakafo eny amin'ny hotely
Miara-misondrotra ny vidin-javatra rehetra
Tao anatin'ny fisondrotry ny vidin-tsolika no efa niaka-bidy ny sakafo any amin'ny hotely madinidinika sy salantsalany eto an-drenivohitra. Nisoko miadana ihany satria samy nampaka-bidy tsikelikely izao mpivarotra. Tany amin'ny fiandohan'ny taona 2008 dia manodidina ny ar 1200 hatramin'ny ar. 1 500 ny vidin'ny vary iray vilia miaraka amin'ny laoka. Fotoana fohy no niakarany hatrany amin'ny ar 2 000. Amin'izao fotoana izao dia tafakatra hatramin'ny ar 3000. Mpivarotra iray etsy Antanimena no nanontanianay ka nilaza fa ny sakafo rehetra amidiny no niaka-bidy, nanomboka omaly. Ny « misao » ohatra dia niakatra ar 2 500 ny iray vilia, raha ar 2 000 tamin'ny herinandro lasa. Ny vary sy laoka koa dia nisondrotra tahatahaka izay. Ny mofo dipaina kosa dia tsy nisondrotra fa nihen-danja hatrany am-potony. Ny « composé » dia niakatra hatrany amin'ny ar 600 raha ar 300 teo aloha sns...Tsotra ny antony hoy ny mpivarotra dia ny fiakaran'ny vidin'entana eny an-tsena. Nisondro-bidy hatramin'ny « pâte ». Ny hena moa dia efa tafakatra ar. 6 000 ny 1 kg. Ny vary moa dia efa iainana isan'andro ny fisondrotana.
Tafiditra amin'ny fiainana andavanandron'ny mponina ny sakafo antoandro izay iantohan'ireny mpivarotra ireny. Misy aza ny lafolafo kokoa fa ny tsikaritra dia efa mirona ety amin'itony antonontonony itony koa ny mpianatra zanaky ny manan-katao. Vokany, dia mitombo eo amin'ny 25% eo ny fandanian'ny olona mpisakafo amin'ny hotely. Raha ny teto amin'ity mpivarotra teo Antanimena ity aloha dia mbola tsy fantatra ny fiantraikan'ny nampisondrotany ny vidin'ny sakafo ao aminy. Tsy afaka mihemotra hampidina vidin'entana anefa izy na mety tsy handeha firy aza ny tsena.




Aza atao valalan'amboa
Ny alakamisy ho avy izao no hankalazana ny fetin'ny mpifankatia na ny « Saint Valentin ». Kolontsaina vahiny nahazo vahana eto amintsika, na niniana nomena vahana mihitsy izy ity. Misy lafiny ratsy sy tsara hatrany ny zava-drehetra, ka izay tsy maharaka ny fomba any ivelany hono taraiky. Tsy te-ho gisitra isika, ka fanomanana io fetin'ny mpifankatia io no malaza amin'izao, izay hita taratra amin'ny lanonana maro isan-karazany etsy sy eroa. Tsara ny mifankatia noho ny mifankahala, kanefa ny mampalahelo, dia ny fanindrahindrana be loatra ny kolontsaina vahiny eto amintsika. Ny « Alahamadibe » sy ny « Volambetohaka » izay kolontsaina Malagasy manana ny maha-izy azy, moa mba mahazo vahana ao an-tsain'ny tonora ankehitriny ve izy ireny ? Hita ho mahazo vahana ireo tanora tia ny filibana manoloana itony karazana hetsika itony, ka ho voafehin'ny ray aman-dreny ve ny tanorantsika mandritra io andro io ? Apetraho hanana ny toerany ny fomba Malagasy, ka tsy ho valalan'ambola lava izao, izay isika tompony indray no tsy ho tia. Mba rahoviana re ireny fomba amam-panao Malagasy ireny vao mba hankalaizan'ny vahiny any amin'ny taniny toy ity fetin'ny mpifankatia ity e ?




Variana ny depiote
Mbola ao anatin'ny fialan-tsasatra tanteraka ireo depiote eny Tsimbazaza amin'izao vanim-potoana izao. Mandra-piandry ny fotoam-pivoriana voalohany ny volana mey ho avy izao nefa dia manana andraikitra goavana, dia ny fidinana eny anivon'ny vahoaka ireto depiote ireto. Amin'izany no anaovany ny tatitra amin'ny vahoaka isaky ny faritra naha-voafidy azy. Toa tsy handrenesam-peo anefa itony depiote itony amin'ny fanaovana io tatitra io, izay làlana iray ahafahan'ny vahoaka maneho ny hetahetany. Hiditra amin'ny fanaovana ny fampielezan-kevitra isika manomboka ny volana marsa izao, ary mazava ho azy fa samy hanohana ny antoko nihaviany avy ireto depiote ireto. Ao anatin'izany fampielezan-kevitra izany ve vao hanao tatitra izy ireo, hoy ny vahoaka mpifidy, sa dia efa nadio ny rano nitàna, ka samia mihonona any amin'ny tokan-tranony avy ? Aoka tsy ho variana ny depiote, satria ny andro iray hilana ny mponina no tsy laitra. Koa ataovy ny tatitra fa liana ny rehetra, indrindra fa efa ambara ho miainga ifotony izao ny fampandrosoana. Sa taom-boanjo izy ireny ka rehefa vita ny ilana azy dia atsipy ?




Andron'ny Mpifankatia
Miova andriana, miova sata
Andron'ny mpifankatia ! Dia malalaka avokoa, hono, ny fanehoana ny fitiavana. Na amin'ny fiteny, na amin'ny fihetsika, na amin'ny atao. Eny, hatreny imasom-bahoaka. « Tsy mba izahay fahiny izany, rankizy ! », hoy i neny somary misento, kanefa tsy dia manome tsiny loatra. Satria, miova ny andro, ary mandroso ny fotoana.
Tsy mifampikasika
Tsy fomban'ny Malagasy loatra, indrindra ny eto afovoan-tany, ny maneho fihetsika lazainy mazàna fa mamoafady. Manazava ny renim-pianakaviana iray (65 taona) : « Na hiaraka irery aza, tsy azo natao. Rehefa misy tsy maintsy hiarahana, dia manaraka ny rahavavy na ny anadahy. Ahoana moa, mitan-dabozia moa, hoy ianareo ankehitriny ? Tsy azonay natao ny mifampitantana eny an-dàlana na imasom-bahoaka.Tsy mifampikasika re e ! »
Vady andrana
« 'Ndray takariva kely
Tery amoron-kady
Toa volan-tantely
Nandramako(nay) sahady... »
Tsy misy izay tsy mahalala io tononkira io. Nahay zavatra ny Ntaolo ! Saingy ny vavam-bahoaka no natanjaka tamin'izany, fa tsy ny... fitiavana. Jereo koa anie ity e ! Raha sanatria maty ny vadin'Andriamatoa, ka mbola mpitovo ny zaobaviny, dia miakatra ho vady loloha io.
Na ity koa : mba hahalalàna fa miteraka ity zazavavy ity, izany hoe hanome taranaka ny zanaka lahy, dia raisina ho vady andrana aloha ramatoa. Raha mety ny hevitra, vao hampakarina izy. Ao anatin'izay fotoana izay koa no hifampizahan'ny roa tonta toetra (ny ho mpivady sa ny rafozana sy ny vinanto ?).
Ankehitriny, hafa kosa e !
« Nahoana moa izahay no tsapatsapaina ?, » hoy ity tovovavy vao 23 taona. Ao anatin'ny fotoanan'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra izao. Ny fihetsika koa. Saingy mbola tsy zaka kosa aloha, ary ao anatin'ny lalàna velona izany, ny fisafosafoana eny an-dàlambe, na ny mifampiampofo ao anaty fiara iraisana. Manimba maso, ary mampianatra ny zaza bodo.
Ny azo hamaranana azy vetivety angamba, dia ilay hoe : « Aza fohazina ny fitiavana raha mbola tsy taitra ». Sao mirongatra ve ?




Toamasina
Manarina ny simba ny minisitra
Tsy ho renivohitry ny toe-karena ihany ny ao Toamasina, fa eo ihany koa ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Io no fototry ny dian'ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary ny Fialamboly, Patrick Ramiaramanana raha nidina tany izy ny herinandro teo. Nijery ifotony ny tontolon'ny fanatanjahantena ity minisitra ity, ka isan'ny nahe-tsika tany ny kitram-pokontany, izay niarahana tamin'ny teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, ary nampiharina tany ny 3P (Fiaraha-miasan'ny Fanjakana sy ny Tsy miankina). Havaozina tanteraka koa ny lapan'ny ankizy mpisava làlana any Toamasina izay hita fa tsy nisy fikarakarakana nandritra ny taona maro.
Tsy maintsy averina hanana ny maha-izy azy ireo foto-drafitrasa momba ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.
Tsy ao Toamasina ihany fa manerana an'i Madagasikara, satria hidina any Antsiranana indray izy hijery ifotony ny asa tokony hatao any amin'ireny faritra ireny.




Mandroseza
Vita ireo fotodrafitr'asan'ny Jirama
Tsy nisy izay tsy nikolay momban'ny fisian'ny delestazy manerana ny faritra maro teto Madagasikara ny vahoaka. Antitra ny fitaovana nampiasaina, hoy ny tompon'andraikitra tao amin'ny Jirama, ary fanamby no natao, fa tsy maintsy ho foana ity delestazy ity. Nanafatra fitaovana avy any ivelany ny fanjakana, ary navaozina tanteraka ny fotodrafitr'asa rehetra mba hametrahana ireto milina manome herinaratra ireto. Ny zoma ho avy izao ary no hotokanana ilay « centrale thermique » etsy Mandroseza izay manana tanjaka 40mgh. Taorian'ny nahazoana ireto fitaovana ireto, dia tsy maintsy nampiakarina 15% ny sandan'ny jiron'ny Jirama raha tiana ny hahavelona ity orinasa ity. Ny mpamatsy vola ivelany no tena nisisika tamin'io, ary nampiharina avy hatrany, mba hamenoana ny lavaka tao. Tsaroan'ny rehetra fa na ireo andrim-panjakana isan'isany aza dia nanao tsipaipaika mba hanarenana ity Jirama ity. Baiko no nomen'ny fitondrana ny hanapahana ny jiro sy rano rehetra ho an'izay tsy manefa ny sandan'ny jiro sy rano laniny, ka ireny niarahana nahita ireny ny nanjo ny teto amin'ny kaominina an-drenivohitra farany teo. Tsy ny teto ihany no nahitana toy izao fanapahan-jiro izao fa hatrany Antsiranana ihany koa. Midika io fa tsy hanavahana ny fampiharana izay nifanarahana.




Andrefan'Ambohijanahary : Ady tany
Misy manafina ny antontan-taratasy
Tany efa nisy trano niorina tamin'ny 1952 mirefy 0 ara 75 ca no hiadiana eny amin'ny fitsarana amin'izao fotoana izao.
Nisy niantso an-tariby ny zanaky ny tompon'ity trano eo Andrefan'Ambohijanahary, ao ambadiky ny toby Ratsimandrava, nilaza fa misy mangataka eny anivon'ny fokontany ny tany iorenan'ity trano ity. Tonga teny ramatoa Rafaravololona Esther zanaky ny tompon-trano dia gaga raha nitondran'olona taratasy mangataka io taniny io. Tsy hita tamin'ny peta-drindrin'ny fokontany sy ny firaisana io taratasy io, hatramin'ny omaly nandalovanay teny an-toerana. Nomarihan'ny tompon-trano fa tanim-panjakana ity no nisy nangataka ka nanaovany fanohanana satria efa an-dàlana koa ny fangatahany, tamin'ny 1992. Ananany ny taratasy mahakasika izany miaraka amin'ny sari-tany. Amin'izao fotoana izao dia efa voapetraka baorina ny tany ary efa namidy ny ampahany ka nananganana trano vaovao. Ny raharaha anefa dia mbola eny anivon'ny fitsarana, mbola tsy nivoaka ny didy. Raha hiverenana ny taratasy fangatahan'ity olona efa nahalafo ny ampahan'ny tany dia tamin'ny faha 24 desambra no efa tokony natao peta-drindrina. Fangatahan'olona roa samihafa anefa ireto tokony ho peta-drindrina ireto ka ny iray tokony hipetraka tamin'ny faha 29 janoary. Mpiray tsikombakomba ihany izy roa ireo araka ny filazan'ny olona ka raha tsy azon'ny iray dia azon'ny ankilany Nezahinay nangatahana fanazavana ny mpangataka ny tany ka ny raharaha efa eny amin'ny fitsarana ihany no nambarany. Voatonotonona moa ny sefo fokontany teto. Nambaran'ireto tompon'ny tany fa niniana tsy natao ny peta-drindrina mba tsy ho hitan'ny mpanao fanohanana.
Raha zohiana indray ny tantara dia nambaran-dramatoa Esther fa zanaky ny mpanofa ity trano ity no mibodo azy ankehitriny. Marary saina anefa ny ramatoa misoratra amin'ny trano ka teo no nanomboka ny fanararaotana. Nampiasain'ity mpanofa ny anaran-dramatoa nanefany ny hetra ary io no nitazonany ny tanàna.
Nanatona ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany indray ny tompon-trano ka nambaran'ity farany fa tsy ao ny antontan-taratasy fa mbola mandeha any amin'ny fivondronana, izay mamoaka ny fangatahana ny tany . Tsy niandry peta-drindrina ity tompon-trano fa efa nametraka ny fanohanana indray ka nanaiky ho vavolombelona ireo fokonolona manodidina fa tsy azo angatahana intsony ny tany.
Efa namoaka taratasy koa anefa ny sefo fokontany manambara fa an'ilay ramatoa narary saina ny trano, kanjo nivadika indray ny rasa tato aoriana. Hanatona ny Bianco ihany koa ny tompon-trano izay nihevitra fa misy kolikoly avo lenta ao ambadik'izao raharaha izao.




Fandraharahana
Nomena vahana ny TIKO
Gaga ny rehetra amin'izao fandalovan'ny filoha Zambianina eto Madagasikara izao, fa toa misy mizana mitanila amin'ny fitsidihana orin'asa izay ataony. Ny talata lasa teo, dia nitsidika ny seranan-tsambo tao Toamasina ity filoham-pirenena vahiny ity, ary isan'ny nentina nitsidika ny orinasa Tiko izy. Tsy misy maha-ratsy izany, satria manana anjara lehibe ny sehatra tahaka itony eo anivon'ny SADC. Ny mahagaga anefa dia mbola nentina nitsidika ny orinasa Tiko tany Antsirabe indray izy omaly alarobia. Fa angaha hoy ny maro tsy misy afa-tsy orinasa io irery eto ? Naninona raha mba nentina nitsidika orinasa mpanao savony etsy ankorondrano ohatra ity filohan'ny SADC ity, satria efa ho 40 taona no niorenan'io. Maro ny sehatra afaka notsidihany eto Madagasikara, na mpanao lamba sns, izay heverina fa afaka mifandrindran-dàlana tsara amin'ny tanjona izay kasain'ny fanjakana apetraka ankehitriny. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa maha-kely risim-po ho an'ny mpandraharaha eto amintsika ny tahaka izao raha toa ka mizana mitanila no hiseho eto. Enga anie mba tsy ho izay no tena zava-misy.




« Moa ka tsy izany va ? »
Entin'ny antoko TIM ao Vakinankaratra ao ho eo anivon'ny fivoriana hatrany ny lahatsoratra an-gazety rehefa tsy mamalifaly azy ny lahatsoratra. Tao Antsirabe moa dia naharihary ampahibemaso ny gazety TRIBUNE . « Maninona ny sariko no tsy navoaka ? hoy ny olon'ny TIM. Torak'izany koa ny tao Antanifotsy. Nambaran'ny lahatsoratra tamin'izany moa fa « naloan'ny mponina ny antoko TIM » tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna teo. « Mamely anay io », hoy ny feo nalefan'ny mpanao politika sasany. « Vaovao ratsy foana no avoaka aty amin'ny tanànanay ». Raha ho an'Antanifotsy manokana dia tsy hita loatra ny zavatra tsara ho tantaraina eto, raha fampandrosoana no resahana. Ny fandriampahalemana angaha ka tsy ho lavina. Malaza mahay miasa mantsy ny polisy sy ny zandary ao an-toerana. Minainaina ny Jirama fa avoaka amin'ny gazety hono ny fahadisoany. Izao anefa dia tsy mandeha ny paompin'ny Jirama . Manangom-bola Ar. 200 isan-tokantrano ny kaominina hividianana « robinet ». Andro maro no efa sahirana ara-drano ny mponina. Inona tokoa moa fa rehefa zohiana anie dia toa tsy hita akory hoe iza no TIM ao an-tanàna e ? Hita ihany izy ireny tamin'ny propagandy, saingy nahariharin'ny tsy fahafoizana ny Arema ka voateny hatramin'ny « moa ka tsy izany va ? » sy ny « ôe ! ôe ! » Niala tsiny mihitsy ny kandidan'ny TIM tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna. Azo antoka fa anisan'ny nampisy elanelam-bato betsaka ny fihetsika tsy nampoizina. Re aza fa saika hisy hamadika ny voka-pifidianana, saingy sarotra noho ny elanelan'isa be loatra. Raha fehezina dia nalahelo ny TIM fa tsy nahavita iraka.




Sisi-bola
Toa tsy malaza ny hirany raha vao tsy manao sisi-bola manao « matraquage » eny anivon'ny haino aman-jery ny mpanan-kanto. Isan'ny feo manelingelina ny sofin'ny maro ny mandre io fitarainana io. Fihetsika heverin'ny hafa ho kolikoly ny fidirana amin'io, saingy hita kosa fa mipetraka ara-dalàna eny anivon'ny haino aman-jery ny fandraisana izany vola izany. Diso ve ny fanaovana ity « matraquage » ity ? Isika rehetra no mamaly azy, fa raha ny hita aloha, dia tsy midika velively fa halaza ilay mpihira raha mandeha matetika any amin'ny radio na tele ny hirany. Tsarovy fa miankina amin'ny hatsaran'ny zava-kanto vokarinao ny hitiavan'ny mpanjifa ilay vokatra. Nahoana ny tarika Mahaleo no tsy manao io « matraquage » io, nefa mbola hankafizin'ny maro ? Ny hafa indray dia mihevitra fa namoaka hira i... dia iny koa fa mba mifaninana mamoaka. Ny feo sy ny tonony amin'io tsy tenenina intsony. Toa tsy misy intsony ilay fikarohana fa may ny hiakan-tsehatra fotsiny. Iza no tsy mahalala, fa misy anie mahavita mamoron-kira folo ao anatin'ny iray andro e. Mihazakazaka avy eo mba manao ilay « matraquage ». Tsy izay hira rehetra tonga eny anivon'ny radio na tele anie no tsy maintsy avoaka fa misy ihany koa ny sivana atao e. Mahaiza mikaroka fa tian'ny olona foana ilay talenta rehefa voakajy tsara. Tsy ny mpanan-kanto no hitady ny mpanjifa amin'io, fa ny mpanjifa indray no hitady ilay vokatra. Sa tsy marina izany ?




Manakara
Entana mitentina Ar. 90 tapitrisa no nisy nandroba
Kodiarana vaovao fanolo amin'ny fiara vaventy fanaboaran-dalana miisa 15 marika « Pirelli » miampy vy (fer rond) miisa 100 no zavatra very tao amin'ny toerana fitobian'entana an'ny orinasa Elter izay manamboatra ny làlam-pirenena faha-12 izay mampitohy an'Alakamisy-Ambohimaha sy Vohipeno. Araka ny vaovao azonay tany an-toerana dia mitentina Ar. 90 tapitrisa any ho any ireo fitaovana very ireo.
Tamin'ny tapaky ny volana janoary tany ho any no nitrangan'ny halatra. Nametraka fitarainana tany amin'ny mpitandro filaminana ny tompon'andraikitra tao amin'ny orinasa ka nandeha ny fikarohana. Tamin'ny 5 febroary lasa teo no tratry ny polisy avy ao amin'ny kaomisarian'i Manakara ireo entana halatra. Ny kodiarana vaovao dia tao an-tranon'olona tao Marofarihy no hita. Ireo tariby vaventy fanaovana « béton » kosa dia nisy nanafina tao ambany fasika, tany Ambokala, ao anatin'ny kaominina Manakara no sarona. Tamin'ny fanadihadiana nataon'ny polisy no nahatratrarana ireo olona miisa fito, ka mpiasa mpanamboatra làlana tao amin'ny orinasa Elter ihany no voarohirohy ho ati-doha nikotrika izao halatra izao. Efa naiditra am-ponja avokoa moa ireo olona fito ireo. Talohan'izao dia fantatra fa efa nisy olona roa voafonja noho ny halatra gazoala sy fitaovana fanamboaran-dàlana tao amin'ity orinasa ity ihany.
Amin'izao fotoana izao moa dia misedra olana ny mpiasa ao amin'ity orinasa ity satria tsy nandray karama tato anatin'ny volana vitsivitsy. Tsy diso ny fiheverana fa noho izany fahasahiranan'ny mpiasa no nahatonga azy ireo hanita-kevitra hangalatra toy izao.
Efa nisy moa ny fitarainana nataon'ireo mpiasa tany amin'ny tompon'andraikitra ambony saingy mbola tsy misy aloha ny vaha-olana hatramin'izao.




Famokarana
Soa fa teo ny vahiny
Ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity. Io no teny filamatra indray taorian'ny filazana fa hananganana ny rindrina taorian'ny fametrahana ny fototra. Nidina ifotony toy ny tany Toamasina ny fitondrana ka hatao ho renivohitry ny toe-karena ny faritry Toamasina. Namboarina ary ho tokanana tsy ho ela ny tsena sy ny làlana any amin'io faritra io, ary tsy ny mponina ao ihany no ahazo tombony, fa ny firenena manontolo, satria firenena iray isika. Tara ihany ny fanarenana ity faritra ity, kanefa aleo tara toy izay tsy misy. Novàna ny fifanarahana teo amin'ny fanatanterahana ny PIC tany Taolagnaro, noho ny alasafay teo amin'ny fanamboaran-dàlana nataon'ny orinasa iray nahazo ny tolo-bidy. Nandalo ny rivo-doza « FAME » izay namotika faritra maro toy ny tao Besalampy, ary nisy ihany koa ny namoy ny ainy vokatry io rivo-doza io. Tonga ny filoha Zambianina sady lohany eo anivon'ny SADC. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny roa tonta ka isan'ny goavana tamin'izany ny famatsiana angovon'aratra. Hajoro ny vaomiera manokana hanara-maso ity fifanarahana ity, ary heverina fa hanana tombony lehibe eo amin'ny lafiny toe-karena i Madagasikara. Ny resaka seranan-tsambo ao Toamasina izay hapetraka ho lehibe faha-roa aty Afrika dia efa zava-dehibe ara-toekarena ho an'ny Malagasy.
Soa fa teo ny vahiny nanampy betsaka antsika, satria mbola marefo ny toe-karena eto amin'ity nosy ity. Raha tsy te-hiantehitra amin'ny vahiny dia « miasa tsara, miasa mafy » !




Goragora
Lasa resabe any ivelany ankehitriny ny momba ilay zazavavy 11 taona niditra an-tsokosoko tao anaty fiaramanidina hiondrana tany ivelany. Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ve dia mbola ahitana toe-javatra tahaka izao ? Ny gazety iray atsy La Réunion « JIR » dia nilaza fa atao inona ireo fisavana maro be, izay manomboka eo am-pidirana, ka hatrany anaty fiaramanidina ? Tokony hipetraka foana, hoy ity gazety ity, ny ahiahy amin'ny mpandeha rehetra. Tao anatin'ny vanim-potoana nifanesy izay, dia nahitana trangan-javatra hafahafa teto amintsika. Teo no nahitana ireo teratany vahiny maro izay saika hanondrana ireo sokatra sy biby arovana maro tany ivelany. Soa fa tratra ireny, ary isika tsy hilaza izay efa tafavoaka an-tsokosoko tany. Teo ihany koa ilay vato goavana tafavoaka teto ka natao fampiratiana tatsy amin'ny nosy rahavavy. Nifamahofaho ny momba iny raharaha iny, saingy efa eny ampelantanan'olona hafa izy io, vao nambara fa handefasana manampahaizana manokana handinika ny kalitaon'io vato io. Aiza ny fanaraha-maso ireny harenantsika ireny ? Matoa tafavoaka ireny harena ireny, dia misy ny tandrevaka. Ireo rehetra ireo, dia hitarafan'ny any ivelany fa misy goragora eo amin'ny fiarovana izay atao, ka mila fitandremana goavana. Indrindra moa fa toy ity zazavavy kely nitsofoka tany anaty fiaramanidina ity. Raha sanatria ka mpanao vy very ny ainy moa no toy izao, inona no nitranga ?




ESMGC : Oniversiten'ny ACEEM
Nanao fitsidihana ny solontenam-panjakana
Amin'ny faha 10 martsa 2008 no hanomboka ny fianarana ao amin'ny ESMGC « Ecole Supérieure de Management, Gestion et Communication » etsy Manakambahiny. Alohan'ny fitokanana azy ity dia nanao fitsidihana ofisialy ny manampahefana eto amin'ny firenena, omaly zoma maraina. Voasolo tena teto ny fanjakana foibe, tamin'ny alalan'ny mpanolon-tsaina eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika, ny sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ny antenimieran-doholona ary ireo mpiara-miombon'antoka nahitana tale mpitantana orinasa, ny oniversite any Toulouse, ny oniversiten'Antananarivo sns...
Nampahafantatra ny lalana nodiavina sy ho diavin'ny sekoly ny filoha mpanorina ny vondrona ACEEM Atoa Ratrema William sy ny tale jeneralin'ny ESMGC ny profesora Ralaisoa Emile. Fantatra teto fa sekoly faha 7 ao anatin'ny vondrom-panabeazana ACEEM ity sekoly ity. Ankoatry ny trano sekoly izay manarapenitra dia misy ny « laboratoire » isaky ny taranja mila izany. Vaovao ny fitaovana enti-mampianatra. Misy ny « Cantine » ho an'ny mpianatra, ao koa ny efitrano fitsaboana, ny trano famakiam-boky sns... Manana ny tanjona hisehatra eo amin'ny LMD ity sekoly ity.
Tonga amin'izao fitsidihana ifotony izao ny fanjakana. Nankatoavina ny rafitra ka hiantsoana ireo mbola liana satria vitsy sisa ny toerana.




Toamasina
Miditra an-tsehatra ny Sinoa
Malaza any amin'ny faritr'i Toamasina ny kitram-pokontany. Kitra izay heverina fa ahafahana mijery ifotony ireo tanora ahavita azy eo amin'ny tontolon'ny fanatanjahan-tena eo amin'io taranja iray io. Omaly dia niditra an-tsehatra ny masoivoho Sinoa miasa eto amintsika nanolotra fitaovana toy ny fanamiana mahatratra 1400 isa mba ho fanampiana ny tanora amin'ity kitram-pokontany taom-pilalaovana 2008 ity. Nisolontena ny fitondram-panjakana nandray ity fanomezana ity ny ministry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana. Raha resaka kitram-pokontany no resahina, dia maro ny maniry azy ity mba hiparitaka manerana ny fokontany maro eto Madagasikara. Raha ny fantatra dia hisy ny fiadiana ny amboaran'ny Madagasikara eo amin'izay kitram-pokontany izany. Aleo hiainga ifotony tahaka ny « Pazzapa » ny raharaha, satria izay no tena fikarohana ny mahay any amin'ny fototra e !




Delestazy
Misento mangina ny vahoaka
Vita omaly ny fandevenana ny delestazy teto Antananarivo sy ny manodidina. Notokanana omaly ilay fitaovana nafarana avy any ivelany hamongorana ny delestazy mahatratra 40 Mgw, ary ny filoha Ravalomanana mihitsy no nitokana izany. Izy ihany koa no nametraka ny vato fototra ny taona lasa iny. Mbola ampiana 50 Mgw, hoy izy, vao tena maharakotra ny faritra maro. Raha te-hatanjaka ny firenena dia mila angovo matanjaka, fa aza manantena ny handresy ny fahantrana raha tsy mipetraka io angovo io. Manomboka izao dia handray ny famandrihana herinaratra vaovao ny Jirama, ary hinoana fa ahazo ny tandrify azy ireo ivelan'ny tanàn-dehibe. Milina mandeha amin'ny menaka mavesatra ity vao notokanana ity. Fanamby napetraky ny fanjakana hatramin'ny 2012 ny hamokarana hatrany amin'ny 75% ny fanodinana herinaratra amin'ny alàlan'ny rian-drano. Misento mangina ihany ny vahoaka, satria ho afaka ny haizina, fa ny sandany manao ahoana ?




Loholona TEZA
Nivaona tamin'ny fifanarahana ny mpitondra
Hentitra ny teny nataon'ny birao politikan'ny TEZA, « natao hanitsy izahay fa tsy hialokaloka ». Io no nambaran'ny loholona Rakotoamboha Jean Louis omaly tao amin'ny radio ACEEM. « Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, ka ilay teny filamatra nataon'ny filoha Ravalomanana milaza fa hanangana firenena vanona ao anatin'ny fahamarinana sy fanomezana hasiny ny firenena, no indro fa hitsakitsahin'ny hafa. Isan'io ny tery vay manta ataon'ny filohan'ny faritra sy ny sefo cisco ary ny lehiben'ny DREN hampifidy ny TIM. Terena ny mpiasam-panjakana, hifidy ny TIM ary mbola ny fitaovam-panjakana no hanerena azy ireo handany ireny kandida ireny. Inona no mahamaika ny fitondrana hanao ny fifidianana ho mpanolon-tsaim-paritra amin'ny volana Marsa izao, nefa ao anatin'ny vanim-potoan'ny rivo-doza ? » Tsotra hoy ingahy Rakotoamboha Jean Louis, satria maika hametraka ny loholona alohan'ny fotoam-pivorian'iretsy andrim-panjakana ny volana may izao izy. Isan'ny tompon'antoka amin'io ny ministeran'ny Ati-tany. Raha teny hampandroso ny faritra tokoa dia tsy ampy raha 33 no isan'ny loholona, fa mba natao 66. Tsara ny fanenana ny isan'izy ireny mba tsy handany ny volam-panjakana, nefa vitsy loatra raha tena hiroso marina amin'ny fampandrosoana ny firenena isika. Nohamafisiny, fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no làlana hialana amin'ny fahantrana. Ny antony dia hambara fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Nanomboka ny repoblika voalohany sy faha-roa ary amin'izao repoblika faha-telo izao, moa va tsy faty antoka hatrany no hiainan'ny tantsaha ? Maty ny eo amin'ny fambolena lavanila, mikorosy ny vidim-boakatra isan-karazany, ary na ny vary hambara ho foto-tsakafo aza mbola manafatra isika. Tsy voafehy ny fifehezana ny harena ankibon'ny tany sy ny andranomasina, koa tsy mahagaga raha hanjakan'ny vahiny ny harena. Ny làlana hita mety hialana haingana amin'ny fahavoazana, dia manao fifanarahana amin'ny mpandraharaha vahiny. Nefa izy ireo tsy maintsy hijery ny fomba ampiasany ny volany, toy ny filaminana ara-politika. Tsy azo antenaina ny MAP satria raha ny vola entina hanatanterahina azy io tsy misy. Ny fitondrana voalohany nataon'ny filoha Ravalomanana no tokony nahavita io, satria maro ny trosa voafafa, ka azo navadika nanantanterahina ny MAP io vola io.
Raha eo amin'ny sehatra politika dia tsy ampy ny ady hevitra politika, ka manjaka tokana ny antokon'ny fitondrana, ka tsy mahagaga raha manao izay tiany atao izy ireo.
Hatreto dia niova fomba fijery tanteraka ny TEZA. Dia ho sanatria ve ho lasa mpanohitra ?




Vola baoritra
Nanaitra ihany ny tenin'ny mpanao politika iray omaly nilaza fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no ahavelona eto Madagasikara ? Nanaitra ny rehetra, satria toa mitombina nefa maha-kely risi-po ny vahoaka. Nohazavainy fa vola mitentina 600 miliara no natobaka tao amin'ny PSDR mba hanaovana lakan-drano sy barazy hamokarana betsaka ho amin'ny fambolena, saingy toa vao mainka miha-fadiranovana ny tantsaha mpamboly any ambanivolo. Vitsy no mba tafita fa voron-kitsay hatrany no fiainan'izy ireo. Izay mba fananana kely voahangona ripaky ny mpangalatra ao anatin'ny indray mipi-maso. Entanina ny rehetra hiroso amin'io fambolena sy fiompiana io, nefa na ny zezika sy masomboly hamokarana aza midangana ny vidiny. Mazana toa vola baoritra fotsiny ny vola entina atokana ho amin'io sehatra io. Mety hitombina ny fomba fijerin'ny sasany tahaka izany, saingy hanao inona daholo ireo 85% ny Malagasy ireo raha sanatria tokoa ka hiala amin'ny asa fanaony andavan'andro ireto tantsahantsika ireto ? Omeo risi-po izy ireo fa aza kiviana, fa mbola lavitra ny tolona, ary ny renivohitra ihany koa tsy hahavita hamelona tantsaha maro be raha sanatria mandositra miakatra aty avokoa izy ireo. Miasa aza izao no fahoriantsika, koa hitorevaka fotsiny tsy ho zava-doza.




Injay ilay feo
Mateti-pihavy ny loza voajanahary eto Madagasikara, satria nosy isika. Ny vanim-potoana toy izao mazana no tena famelezan'ny sikilaonina, ary tanàna maro no rava ao anatin'ny indray mipi-maso. Ny manarina ny fahavoazana kosa anefa tsy vita iray volana. Hita sy tsapa ireo amin'ny ezaka ataon'ny mponina sy ny fanjakana taorian'ny rivo-doza « Fame » teo. Dia hanarina ny voka-dratsin'i « Ivan » indray izany, na dia hita fa mbola tsy mikatona aza ny fery navelan'ny teo aloha. Ny fifidianana anefa dia manakaiky izay hatao amin'ny 16 martsa izao. Manana risi-po handeha hanefa ny adidiny ve ny vahoaka manoloana ny fahavoazana mahazo azy ? Injay ilay feo milaza fa tokony ahemotra ny fifidianana hoy ny hafa, satria tsy voakajin'ny mpitondra ve fa vanim-potoanan'ny sikilaona ny volana martsa toy izao ? Dia ho hita eo, fa tsy maintsy hisy ny famerezan-jo ny mpifidy tsy fidiny, satria aleony manarina toy izay hifidy.




Anosibe : Herin'aratra mifampikasoka
May ny biraon'ny tsena
Nirehitra indray ny ampahan'ny tsena ao Anosibe. Omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin'ny 5 ora teo no hitan'ny mpiambina ny loza. Araka ny filazan'ireo nanatri-maso dia nipoaka ny « compteur » ao amin'ny biraon'ny tsena. Nirehitra niaraka tamin'izay ity birao ka nifamonjen'ny mpiambina aloha. Teo ny tsy fahampian'ny fitaovana namonjena, fa ny nampitatra ny afo dia ny tsy nahafahana nanokatra ity birao ity. Tsy nisy ny fanalahidy ka nanampatra ny heriny ny afo mandrapahatongan'ny mpamonjy voina. Tamin'ny 6 ora latsaka teo vao voafehy ny afo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy na ny naratra, fa ny fotodrafitrasa no nisy fahapotehana, may ny entana sasany tao anatiny. Vokatr'izay dia maizina ny tsena manontolo omaly alina.
Raha tsahivina dia fanintelony no nisian'ny fahamaizana teto amin'ity tsena ity, taorian'ny nanamboarana azy ho manara-penitra. Tranoheva miisa 6 no may voalohany tamin'ny taona 2006. Vao iray volana lasa koa izay no may ny fivarotana miisa 5. Samy nahamaizana entana amina tapitrisa ireo trano may ireo. Hatramin'izao dia mbola samy tsy nahitam-bahaolana ny momba ny fanamboarana ireo trano may ireo. Hatreto koa dia ny fifampikasohan'ny herin'aratra hatrany no voalaza fa fototry ny loza. Omaly ihany moa dia nijery ny fahavoazana ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra, ary hanomboka ny fanarenana avy hatrany.




Rivo-doza teto Iarivo
Voa indray ny faritra iva
Dibo-drano tanteraka ny faritra iva eto an-drenivohitra. Iray andro monja taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza « Ivan » tany Avaratra-Andrefan'ny renivohitra dia mitondra takaitra toy ny any amin'ny faritra hafa ny mponina eny ambany tanàna. Tsy vao izao no niaram-pahavoazana tahaka izao ny faritra toy itony, fa saika mandavan-taona. Isan'ny faritra be mponina itony toerana itony, ary tsy vitsy noho izany ny manome fampanantenana ny hanarenana ny toerana ambany, rehefa tonga ny fotoana fampielezan-kevitra. Ny hita anefa dia zary adino hatrany izy ireo rehefa vita ny latsa-bato, ary porofo iarahana mahita ny fahavoazana mianjady amin'izy ireo izao.
Ny ranon'orana sy ny diky amin'ny lavam-piringy no mifangaro, ary sahirana ireo manana lava-drano ampiasaina ho rano fisotro. Ahiana ny mety hiparitahan'ny valan'aretina noho izany, ka izay no ilàna famonjena haingana ho an'ny mponina amin'ny toerana toa itony. Ny mampalahelo dia miandry fahavoazana tahaka izao hatrany, fa toa tsy misy fisorohana hafa atao mihitsy. Vitantsika ny nametraka trano lehibe ho fitahirizana vokatra any amin'ny faritany, koa nahoana raha asiana tetik'asa maty paika hipetraka ety amin'ny faritra iva, mba hisoroana ny fahavoazana toy izao ? Am-bava homana am-po mierotra.




Ambohimanarina
Olona 15 tototry ny trano, vehivavy iray afa-jaza
Namela takaitra goavana tamin'ny faritra maro teto amin'ny Nosy ny rivo-doza « Ivan ». Teto an-drenivohitra dia trano lehibe iray no nirodana teny Ambohimanarina, afak'omaly, tamin'ny 8 ora alina tany ho any. Trano misy rihana iray ity nirodana ity ary tokantrano telo samihafa no mipetraka ao aminy. Ao ambony rihana ny tompon-trano izay misy olona 9 mianaka. Ny ao ambany rihana kosa dia mpanofa trano misy olona telo avy.
Araka ny nambaran'ilay mpanofa trano tao ambany dia tamin'ny 8 ora alina tany ho any izy no nahatsirakitra ilay trano mivava toa mitady hirodana. Toa mamovoka izany ilay trano ary niha-niletsy. Nandeha nivoaka moa izy mba hilaza ny tompon-trano kinanjo fotoana fohy taorian'izay dia niletsy nidina ambany ilay trano. Tototry ny trano tao izy 15 mianaka. Samy niezaka nanavotr'aina nivoaka ny trano moa izy ireo. Olona roa no tena voa mafy. Ny iray vehivavy lehibe, manodidina ny 50 taona , antsoina hoe Rasoazanany Marie Marthe ary ny iray hafa kosa dia ankizy 5 taona, antsoina hoe Safidy Nantenaina. Tsy afa-nitsangana mihitsy moa izy mianaka ireo satria voatototry ny « béton » tamin'ilay trano. Ankoatr'izay dia nisy vehivavy bevohoka iray afa-jaza tsy fidiny. Nitondra vohoka teo amin'ny roa volana teo ho eo moa ity vehivavy ity.
Araka ny fanampim-baovao azonay, dia vokatry ny hamandoana avy amin'ny trano fivoahana tsy lavitra ilay trano misy rihana no nampihotsaka ity trano teny Ambohimanarina ity. Soa aloha fa tsy nisy aina nafoy tamin'ity firodanan'ny trano ity.




Traboina i Madagasikara
Ny eto anivon-tany no tena nitoeran'ny rivo-doza « Ivan », naharitra fotoana ela indrindra. Nolalovany i Sainte Marie, nametrahany takaitra tao anatin'ny ora vitsy. Nidirany i Fenoarivo Atsinanana, nataony najifa ihany koa. Na dia nihena aza ny heriny rehefa tafiditra taty amin'ny faritra Alaotra Mangoro. Rakotry ny rivotra sy ny ranobe ny tanimbary. Tsy namelany koa ny faritra Menabe ka nahatonga ny olona an'arivony ho traboina. Omaly tontolo dia toa tsy nihetsika firy i « Ivan » fa nanakipilipily ny rambony, nanimba ny tanàna manodidina an'Antananarivo. Nanondraka ny renirano, ka hatramin'ny omaly hariva dia tafakatra nihoatra ny 50 metatra ireo renirano manodidina ny tanàna. Mampihoro-koditra ny fandalovana eny Tanjombato, Niandry ny fotoana nahafahan'ny fiaramanidina nisidina fotsiny ny fitondram-panjakana dia nitsidika ireo toerana tratry ny loza. Hiezaka handray an-tànana ny fanampiana ireo traboina sy hanarina ny zavatra simba. Mbola sarotra anefa ny manombana ny fahavoazana ka izay tratra aloha no atao. Mipetraka ihany ny ahiahy fa toa ho lanin'ity rivo-doza ity ny vola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Maro anie ny fahavoazana e ! Angamba aloha dia samy hiahy ny tenany ny vahoaka, fa ireo fotodrafitr'asam-panjakana no tsy maintsy ho vonjen'ny tompony. Miara-mahalala ny rehetra fa ny takaitra navelan'i « Fame » dia mbola tsy voatombana akory. Tsy hay koa ny ho fihaodihaodin'ny rivo-doza vaovao. Tsarovana ny rivo-doza « Bondo » sy « Clovis » tamin'ny taon-dasa. Ny lalan'i « Ivan » no efa nolalovany. Raha tafavoaka ny lakan-dranon'ny Mozambika anefa izy roalahy ireo dia nisampotina niverina. Aza hitako ka hanao sangy ratsy toy izany i « Ivan ». Mampanahy tokoa raha izay fizotrany omaly izay.




Habibiana nahatsiravina
Fanoto no natsofony tany amin'ny fivaviam-badiny
Habibiana nahatsiravina no nataon'ity raim-pianakaviana iray tany amin'ny tanànan'Andivo, fokontany Andranovana, kaominina Fanambana, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Novonoiny ho faty ny vadiny ary tamin'ny alalan'ny fomba mamoehatra.
Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana dia fanoto no natsofony tany amin'ny fivaviam-badiny, ary noveleziny tamin'ny hazobe ny vatan'ilay vehivavy. Taolana maro tamin'ny vatan'ilay vehivavy moa no tapaka ka anisan'izany ny teo amin'ny sorony, orony, taolan-damosiny. Tamin'ny talata lasa teo no nahitana ny fatin'ilay vehivavy tao an-tranony. Ny hariva talohan'izany moa dia niara-nisotro toaka izy mivady ary niafara tamin'ny fifamaliana izany. Niala mandry tao an-trano mihitsy ilay raim-pianakaviana ary voalaza fa nankany amin'ny vehivavy hafa. Ny maraina ilay rangahy vao mody tonga tao an-trano ary toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny kanefa toa hoe ny alina no nanaovany ny habibiana ary avy eo izy vao nankany amin'ny vehivavy hafa. Samy manan-janaka amin'ny olona hafa moa izy mivady ireo ary nifankatia ny zanak'izy ireo. Voarohirohy ho anisan'ny niray tsikombakomba tamin'ity rangahy namono ny vadiny ity ny zanany lahy.
Tsy nanatrika fandevenana moa ilay rangahy fa tsy hita izay tany nanjavonany. Izany fihetsika izany indrindra no vao mainka nampiahiahy ny olona sy ny mpitandro filaminana. Mbola tsy hita moa izay misy ilay raim-pianakaviana noheverina nahavanon-doza.
Efa nametraka fitarainana any amin'ny mpitandro filaminana ny fianakavian'ilay vehivavy maty nisy namono. Mandeha ihany koa ny fikarohana ataon'ny mpitandro filaminana.




Andro ratsy
Nihemotra ny fandaharam-pianarana
Hatramin'ny omaly talata no fe-potoana nomen'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena tsy hianaran'ny mpianatra. Faritra maro eto amin'ny nosy no voakasik'io. Ny fandalovan'ny rivo-doza moa no antony. Tamin'ny alatsinainy vao maraina no nivoaka ny filazana, ka betsaka ireo mpianatra tsy nandre ny vaovao. Nisy ihany ny mpianatra namonjy sekoly, saingy niveri-potsiny. Teo ihany koa anefa ireo tsy maintsy nanohy ny fandaharam-pianarana satria ao anatin'ny fanadinana. Tsy maintsy nianatra ihany koa ireo kilasy hanao fanadinana ara-panjakana amin'ny fifaranan'ny taom-pianarana. Tombanana ho ny 30%n'ny mpianatra eto an-drenivohitra izany ireo tsy maintsy namonjy sekoly hatramin'ny alatsinainy sy talata. Ho an'ireo EPP dia nihemotra ny fiatrehana fanadinana. Ankizy madinika avokoa mantsy ireo voakasiky ny resaka.
Manantena hiverina an-tsekoly ny mpianatra anio alarobia. Inoana fa hiatrika ny fanadinana efa nomanina. Nanana fotoana namerenan- desona rahateo izy ireo. Tsiahivina ihany fa nandritra ny 15 andro teo ho eo no tsy afa-nianatra ny mpianatra tany amin'ny distrikan'i Besalampy iny, tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivo-doza « Fame ». Tamin'ity dia saika ny faritra manerana ny nosy no nahazo filazana. Ny fanamarihana dia sambany no nisy fampandrenesana avy amin'ny minisitera. Hatramin'izay mantsy dia efa ao anatin'ny ranobe ny sekoly, na koa efa tabatabain'ny andro ratsy ny mpianatra vao sahy mandray fepetra ny mpampianatra.




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny Reny, Renibe, sy Havana Malalanay :
Hoy :
Ny zanany :
Lanto sy Mamy Patrick RAFANOHARANA
Eliane RAVELOSON
Ny zafiny :
Anjatiana Laetitia - Mirana - Steven Nirina RAFANOHARANA
Lwula Rinja RAKOTOARISON
Ny mpiray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy RABETANY Samuel sy Tompokovavy RAONIMANANA Aimée
Terak'Itompokolahy RAJAONARISATA Charles sy Tompokovavy RAZAIMANANONY Bernardine
Ramatoa RATOMSON RAZANADRAMASY Hélène sy ny zanaka aman-jafiny
Ramatoa ANDRIANASY Julienne sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANAIVONJATO André mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANASY Arsène mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny havany :
Andriamatoa RANDRIAMAMONJY Claude mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itompokolahy RANDRIAMPIRY sy Tompokovavy RAONINDRIKA
Teraka RAKETAKA
Teraka RAINIBAO
Ny fianakaviana manontolo
Ny niara-niasa taminy tao amin'ny Yves Saint-Laurent Haute-Couture France
Ny namany rehetra tao Epinay-sur-Seine, Mennecy (France) ary Oxford (Angleterre)
Ny mpikambana ao amin'ny CSME Natation Epinay-sur-Seine (France)
Ny fokontany Isoraka Ampatsakana
Ny Fiangonana FJKM Wagner France
Ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana
Ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy Rasalama Maritiora
Ny nofony dia ho entina miala ao an-tranony lot I A 43 Isoraka, ny Zoma 22 Febroary 2008 amin'ny 12 ora sy sasany , ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany, ao Ambohijanaka ihany.
« Jehovah no mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho »
(Sal. 23 /1)




Vatovavy-Fitovinany
Ar. 1,2 milliard pour la révolution verte
« Booster la production agricole », c'est l'un des défis de la région Vatovavy-Fitovinany. Le chef de région, Raharison Mirana Rivo a annoncé au cours d'une interview qu'il nous a accordée à Manakara que la région alloue une somme d'Ar 1,2 milliard pour la concrétisation de révolution verte qui consiste à doubler la production agricole en 2009.
La région va aménager un terrain de 1.000 ha pour des rizicultures améliorées et 400 ha pour les cultures semi-directes, dans certaines communes dont Marofarihy, Ivato. Elle envisage une production de 15.000 tonnes sur cette nouvelle exploitation agricole.
Une production rizicole de 108.000 tonnes
La région travaille de concert avec la Direction Régionale du Développement Rural (DRDR) pour la mise en oeuvre des activités entrant dans le cadre de la révolution verte. Selon son directeur, Zafimandimby Andrianasolo, la production rizicole de cette région pour la campagne 2006-2007 atteint 108.000 tonnes. Malgré le passage des cyclones dans cette partie Sud-Est de l'Ile, l'année dernière, la production rizicole a connu une hausse de 4% par rapport à l'année précédente, a-t-il ajouté. De son côté, le chef de région devait souligner en ces termes : « Actuellement, nous avons un déficit de 40.000 tonnes de riz par rapport aux besoins de la région. Nous nous efforcerons de combler ce déficit d'ici deux ans en améliorant autant que faire se peut la production, ne serait-ce que pour atteindre l'objectif de la « révolution verte ».




Miakatra ny rano
Mitombo ny fandaniana
Aina ity hoy i Rainimanonja. Toa mifanandrify tokoa amin'ny vonjy ranovaky etsy sy eroa. Raha efa malaza ny fisian'ny olona traboina dia toa tsy mahagaga firy. Efa niomana rahateo ny mpanome fanampiana, ka ny mahazatra ihany io e ! Fa ny tsikaritra ankoatr'ireo mahazatra dia nisongadina ny fahasahiana niala tamin'ny trano eny amoron-drano sy amin'ny toerana iva. Harena mandany harena ireto hoy ny tompon'entana. Ny an'ny tena ihany ity no andoavam-bola. Olona anisan'ny tsy nety hiala teny amin'ny faritra atsimon-drano iny ireto nitaona entana ireto. Ho aiza ? hoy izy ireo. Ny entana sarobidy amin'ny tena ka tsy azo afoy. Manana havana ihany ry zareo saingy mbola fifanarahana be vao afaka nandray azy. Noferana ny andro hiaraha-monina. Nifanarahana hatramin'ny sakafo hiarahana mihinana. Mbola nandany vola aman'alina nitaomana entana. Satrin'izy ireo ho ritra haingana ny rano amin'ny trano onenany hiverenany, sady hisorohana ny « Hava-tiana tsy iaraha-monina ». Etsy andaniny anefa dia mbola zakaina ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Loza roa loza telo !




Samy mandeha samy mitady
Tsy azo antenaina ny hisian'ny marimaritra iraisana eo amin'ny sefom-pokontany sy ny ben'ny tanana eto andrenivohitra. Samy malailay fonosona amin'ny mety hisian'ny fiaraha miasa ny roa tonta. Ny sefom-pokontany mbola tafajanona amin'ny toerany, dia mbola manantena ny hiverina eo rehefa tendren'ny Préfet de Police. Ny ben'ny ny tanana kosa dia milaza fa mipetraka ao amin'ireto olona notendrena teo aloha ireto ny fijerin'antoko. Isan'io ny nilazany fa raha vao lany ny tenany, ka tokony hisy ny fiaraha-miasa natao, dia nanidy ny biraom-pokontany ireto farany. Inona no atahorana ny hanendrenay ny sefom-pokontany hoy ihany ingahy ben'ny tanana Andry Rajoelina ? Na eo aza ity fifandirana ity, dia voalaza fa ny asan'ny mpanan-tanteraka tsy maintsy mitohy, ary tsy maintsy ho vitaina izay nampanantenaina. Samy mandeha samy mitady izany ny roa tonta hatreto, kanefa mino isika fa ny tombontsoan'ny tanana no iraisana.




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny Reny, Renibe, sy Havana Malalanay :
Hoy :
Ny zanany :
Lanto sy Mamy Patrick RAFANOHARANA
Eliane RAVELOSON
Ny zafiny :
Anjatiana Laetitia - Mirana - Steven Nirina RAFANOHARANA
Lwula Rinja RAKOTOARISON
Ny mpiray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy RABETANY Samuel sy Tompokovavy RAONIMANANA Aimée
Terak'Itompokolahy RAJAONARISATA Charles sy Tompokovavy RAZAIMANANONY Bernardine
Ramatoa RATOMSON RAZANADRAMASY Hélène sy ny zanaka aman-jafiny
Ramatoa ANDRIANASY Julienne sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANAIVONJATO André mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANASY Arsène mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny havany :
Andriamatoa RANDRIAMAMONJY Claude mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itompokolahy RANDRIAMPIRY sy Tompokovavy RAONINDRIKA
Teraka RAKETAKA
Teraka RAINIBAO
Ny fianakaviana manontolo
Ny niara-niasa taminy tao amin'ny Yves Saint-Laurent Haute-Couture France
Ny namany rehetra tao Epinay-sur-Seine, Mennecy (France) ary Oxford (Angleterre)
Ny mpikambana ao amin'ny CSME Natation Epinay-sur-Seine (France)
Ny fokontany Isoraka Ampatsakana
Ny Fiangonana FJKM Wagner France
Ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana
Ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy Rasalama Maritiora
Ny nofony dia ho entina miala ao an-tranony lot I A 43 Isoraka, ny Zoma 22 Febroary 2008 amin'ny 12 ora sy sasany , ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany, ao Ambohijanaka ihany.
« Jehovah no mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho »
(Sal. 23 /1)




Trano fiantohana MAMA
Hangarahara ny sata vaovao
Nankatoavin'ny minisiteran'ny fitantanam-bola ny fangatahan'ny filankevim-pitantanan'ny trano fiantohana MAMA, nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana. Omaly no nanatontosana izany izay niompana tamin'ny fanitsiana ny « lalàna mifehy ny fiantohana » na ny « code des assurances ». Andininy vitsy amin'ireo andinin-dalàna miisa 65 ao anatin'ity fitsipika ity no novàna natao mifanaraka amin'ny fiainan'ny orinasa MAMA amin'izao fotoana izao.Anisan'izany ny fanomezana fahefana ny tale jeneraly, ka arahan'ny filankevim-pitantanana maso.
Nirosoana ny fanapahana ity fanovàna ity na dia tsy nahatratra ny ampahatelon'ny mpikambana aza no tonga tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina omaly. 25 000 eo ho eo no isan'ny mambra, saingy tsy nahatratra 300 no isan'ireo mpivory, raha 7000 any ho any no takian'ny lalàna. Tsiahivina fa tamin'ny volana desambra 2006 no nisy ny fiantsoana fivoriana voalohany tokony nanatanterahana ity fanovàna ity.Fiantsoana faha 5 ity farany ity, izay tsy maintsy nandraisana fanapahan-kevitra. Io moa no nandrasana alohan'ny hifidianana izay ho filankevim-pitantanana vaovao. Amin'izao fotana izao dia Ramatoa Ranirimanga Sabine no tale jeneralin'ny orinasa MAMA izay nitarika ny fivoriambe omaly.




Vakinankaratra : Mandrosohasina-Ambohibary
4000 olona no tsy maintsy handao ny fonenany
Na dia tsy nandalovan'ny rivo-doza « Ivan » mivantana aza ny faritra Vakinankaratra dia misedra ny takaitra navelany kosa. Faritra maro no dobo-drano tanteraka raha tsy hilaza afa-tsy iny manamorona ny làlam-pirenena faha-7 iny. Ny alakamisy lasa teo dia nidina nijery ifotony ny holatra navelan'ny « Ivan » ny delegasiona notarihin'ny Lehiben'ny faritra Lanto Rabenatoandro, tamin'ireo distrika tena tra-pahavoazana mafy toy Ambatolampy, Antanifotsy ary Antsirabe faharoa.
Ho an'ny distrikan' Ambatolampy dia tafakatra hatramin'ny 50%ny tahan'ny tsy fahatongavan'ny mpianatra mianatra noho ny fiakaran'ny rano be loatra. Ho an'ny distrikan' Antanifotsy dia saika niendaka sy simba avokoa ny tafo sy ny varavaran' ny EPP Andohafarihy, teo ihany koa ny faharavan'ny trano-tsena. Fa ho an'ny kaominina Mandrosohasina sy Ambohibary dia mirobo-drano tanteraka. 4000 olona no tokony handao ny trano fonenany satria ao anaty rano tanteraka ny fonenan'izy ireo. Tsy nitazam-potsiny ny zava-nisy anefa ny lehiben'ny faritra fa nitondra sy nanolotra vahaolana aingana ka hanomboka rahampitso avokoa ny asa fanarenana rehetra ka ny sekoly sy ny hopitaly aloha no vonjena aingana ary ny toerana hametrahana ireo tsy manan-kialofana, ary hisy ny famatsiana ara-tsakafo azy ireo .




Andrianiko ny teniko
"Teny malagasy, teny ibeazako, teny ahombiazako". Io no lohahevitra nentina nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tenin-dreny teto Madagasikara omaly. harena, reharehan-tsika ny fampiasana io teny Malagasy io, satria vahoaka mahatratra 18 tapitrisa no mampiasa azy. Firenena mahaleotena isika manana azy, ka tsy tokony ho atao valalan'amboa ka isika tompony indray no andeha tsy ho tia izany. "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa kosa feheziko". Teny fandre matetika io, hilazana fa tsy ho atao ambanin-javatra ny fitenin-drazana, nefa mahafehy ny fiteny hafa koa mba ahafahana misokatra amin'ny any ivelany. Mazana anefa, dia misy mihevitra fa tenin'olona bado ny tenintsika. Lanonam-panjakana ho an'ny Malagasy, dia teny vahiny no ampiasaina. Eny hatrany amin'ny taratasim-panjakana eny amin'ny fokontany aza, dia vitsy no mba mampiasa ny tenintsika. Hatraiza marina ny fifehezana io tenin-dreny io, mba tsy ho resy tondro-molotra amin'ny any ivelany ? Isika rehetra no miara-mifehy izany, ka mba ny vahiny indray no ho dedaka hampiasa ny fiteny Malagasy, fa tsy isika lava izao no hiana-kendry ny hafa. Tsy midika izany ny tsy hianarana ny fiteny vahiny, fa aoka omena ny lanja ny an'ny tena, indrindra fa ny kolontsaina Malagasy.




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny Reny, Renibe, sy Havana Malalanay :
Hoy :
Ny zanany :
Lanto sy Mamy Patrick RAFANOHARANA
Eliane RAVELOSON
Ny zafiny :
Anjatiana Laetitia - Mirana - Steven Nirina RAFANOHARANA
Lwula Rinja RAKOTOARISON
Ny mpiray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy RABETANY Samuel sy Tompokovavy RAONIMANANA Aimée
Terak'Itompokolahy RAJAONARISATA Charles sy Tompokovavy RAZAIMANANONY Bernardine
Ramatoa RATOMSON RAZANADRAMASY Hélène sy ny zanaka aman-jafiny
Ramatoa ANDRIANASY Julienne sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANAIVONJATO André mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa ANDRIANASY Arsène mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny havany :
Andriamatoa RANDRIAMAMONJY Claude mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itompokolahy RANDRIAMPIRY sy Tompokovavy RAONINDRIKA
Teraka RAKETAKA
Teraka RAINIBAO
Ny fianakaviana manontolo
Ny niara-niasa taminy tao amin'ny Yves Saint-Laurent Haute-Couture France
Ny namany rehetra tao Epinay-sur-Seine, Mennecy (France) ary Oxford (Angleterre)
Ny mpikambana ao amin'ny CSME Natation Epinay-sur-Seine (France)
Ny fokontany Isoraka Ampatsakana
Ny Fiangonana FJKM Wagner France
Ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana
Ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy Rasalama Maritiora
Ny nofony dia ho entina miala ao an-tranony lot I A 43 Isoraka, ny Zoma 22 Febroary 2008 amin'ny 12 ora sy sasany , ary hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany, ao Ambohijanaka ihany.
« Jehovah no mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho »
(Sal. 23 /1)




Fijerena ny tra-boina
Mitodika ny eto andrenivohitra ny mpitondra
Iray ny vahoaka Malagasy, ka tsy misy tombo sy ala. Io no vetin'ny teny nataon'ny mpitondra fanjakana, notarihan'ny Praiministra Charles Rabemananjara omaly, raha nitety faritra maro izy ireo omaly. Teny Andohatapenaka no nanombohany izany, ary nitohy tamin'ireo faritra hafa manodidina. Tsy fitsidihana fotsiny, fa nitondrana ihany koa ireo izay voatsirambin'ny tànana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy mitazana fotsiny ireo mpiray tanindrazana aminy, fa nidina teny amin'ireo faritra hita fa voa mafy teto andrenivohitra io omaly io. Fanampiana sy fanantenana ny vahoaka tsy hitanondrika manoloana ny fahavoazana no entin'ny mpitsidika hampahery ny ny vahoaka.
Hatreto, dia mitodika eto andrenivohitra ny mpitondra, rehefa avy nihazo ny faritra samy hafa. Ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina, ny filohan'ny faritra Analamanga, ny minitra mpiahy Ranjeva Marcel, dia efa samy nahavita ny azy avokoa, ary io dimbiasan'ny filoha Ravalomanana sy ny PM io indray.




AREMA
« Mitombina ny ahiahinay »
Ity rivo-doza mamotika ny mpiray tanindrazana ity, no anton'ny fitakiana ny hanemorana ny fifidianana. Io indray no nentin'ny antoko AREMA nanamarin-tena amin'ny fitakiany ny hanemorana ny fifidianana. Tetsy amin'ny foibe Soanierana no nilazany ireo omaly. Taorian'ny nandavan'ny fitsarana ilay fitoriana napetraky ity antoko ity ny hanemorana ny fifidianana, dia mitohy ny fanoherana ataon'izy ireo ny fifidianana mpanolon-tsaim-paritra ny 16 martsa izao. Ny manitikitika ny rehetra, dia ny hoe, raha mihemotra ny datin'ny fifidianana, handray anjara hirotsaka ho fidiana ve ity antoko ity ?




Ny Filan-kevim-pitantanana sy
Ny Tale Jeneraly ary
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny AIR MADAGASCAR
Dia mampandre amin'alahelo lehibe ny fahalasanana tamin'ny Alakamisy 22 Febroary 2008
Ny mpiara miasa aminy :




Amin'alahelo lehibe no ilazanay anareo fa ny havamalalanay :
dia nodimandry ny zoma faha-22 febroary 2008 teo amin'ny faha-75 taonany.
Hoy
Ny Vadiny :
RASOAZANANY Esther
Ny Rafozam-baviny :
RAZANADRANJA
Ny Zanany :
RAMANITRARIVO Tsilavo sy Voahangy
RAKOTOSOA Cyrille sy Rondro
ANDRIAMAMPIANINA Fanja sy Lydia
ANDRIAMAMPIANINA Haja ny Toky sy Ando
Ny Zafiny :
Rivo sy Hoby, Toky, Nantenaina, Andrianina, Domoina, Mampianina, Ny Aro, Mahenina, Toavina, Dina
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Alarobia Amboniloha
Ny Fokontany Ikianja Ambohimangakely
Ny Fiangonana FJKM Alarobia Amboniloha
Ny Fiangonana FJKM Ikianja Fiderana Ambohimangakely
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony Lot II.I.116 Alarobia Amboniloha ny Alahady 24 febroary 2008 amin'ny 1 ora tolakandro , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany Ikianja Ambohimangakely .
« Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy ».
(Rom. 81)




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony :
rehefa nivahiy 80 taona teto an-tany.
Hoy
Ny Iray tampo aminy :
Rtoa RAHELISOA Helène (Vady navelan'Itkplahy RANDRIAMITANDRINA) sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itkpvavy RAHELIMANANA Lucie
Rtoa RAHELIARISOA Jeannette (Vady navelan' Itpklahy RAKOTONDRATSIMBA Norbert) sy ny zanaka aman-jafiny
RAMATOA RAHELIARIMANANA Elisabeth
Atoa RAOELINA Jean mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Docteur RAZAFINDRAKOTO Jean claude mivady sy ny zanany
Sy ny Fianakaviana manontolo
Ny mpitandrina sy ny fiangonana :
FJKM Alarobia Ambatofiraisana
FJKM Antanibe Fitiavana
FJKM Antsahamaina
FJKM Ambovona
Fokontany Analakely Antanimalalaka
Fokontany Ibaka Alarobia
Ny nofony dia hiala ao an-tranony IBAKA Alarobia ny Alahady 24 Febroary 2008 amin'ny 1 ora sy sasany antoandro , ho entina atao veloma farany ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny F iangonana FJKM Ambatofiraisana Alarobia ary hapetraka ao amin'ny fasan-drazany ao IBAKA Alarobia ihany.
« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho, Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay omen'ny Tompo ».
(Timoty II 4 :7-8)




Ny zanany :
Yollande sy Malanjaona RAKOTOMALALA (France)
Annick sy Thierry ZINZEN (France)
Haingonavalona Mireille RAKOTOARIVONY
Gary sy Nelly RAKOTOARIVONY (France)
Eric sy Mireille RAKOTOARIVONY (France)
Holly sy Michel ANDRIANARIVELO
Dr Christel sy Lisiharinoa RAKOTOARIVONY
Elie David Patrick RAKOTOARIVONY
Ny zafikeliny : Dina Lalaina sy Patricia ; Hasina ; Rija RAKOTOMALALA (France)
Dany Christopher sy Lamy RABERANTO ; Jonathan ; Sandra Lee ZINZEN (France)
Miara ; Antsa RAKOTOARIVONY (France)
Hanniel ; Christia ; Kevan RAKOTOARIVONY (France)
Miharisoa ; Harilanto ANDRIANARIVELO
Tinà, Allan ; Steven RAKOTOARIVONY
Ny zafiafiny ary ny Fianakaviana manontolo
Dia maneho fisaorana sy fankasitrahana ho anareo izay tonga nidodododo nampionona sy nampahery ary nanotrona azy ireo, tamin'ny namoizany ny malalany :




Mibaribary ny fahantrana
Soa fa nisy ny rivo-doza. Io no mba vetsoventson'ny mponina izay notolorana fanampiana avy amin'ny fitondram-panjakana ny alakamisy teo. Tsy ny rano miakatra na ny fananana potika no mahafaly ny sasany, fa ilay vary sy vola kely azon'izy ireo. Vary sy vola isan-tokantrano no zaraina, ary eo ihany koa ny savony sy ny fanafody.
Tokantrano maromaro no dibo-kafaliana nandray izany. Tsy nisalasala izy ireo niteny imasom-bahoaka fa mba hihinam-bary indray. Rehefa nozohiana io teny io, dia tsapa fa efa ho tapa-bolana no tsy nihinan-kanina, fa mangahazo kely hatrany no mba nohanin'ny ankohonana. Raha nisy vary aza dia tapaky ny kapoaka natao sosoa be rano.
Mibaribary ny fahantrana eo amin'ny ankamaroan'ny Malagasy. Iza ny olombelona faly rehefa tratry ny rivo-doza ? Ny gasy sahirana no faly amin'io satria sady mahazo vary sy fanafody, no misy fikambanana manome fitafiana ho azy ireo. Mba azontsika an-tsaina ve ny fiainan'izy ireo rehefa maina ny andro, ny mety ho fivelomany, satria tsy hisy tolotolotra tsy mahavita firy ? Samia mieritreritra.




Raharaha Nosy Be
Nitsoa-pahana ilay mpisolo vava
« Matahotra aho ! » Ary dia vitan'ilay mpisolo vava mihitsy ny namerina ny vola efa noraisiny tamin'ireo olona tokony arovany.
Raha ampahatsiahivina vetivety ny raharaha dia mikasika vehivavy iray nitsabo tena tany aman'olona voalaza fa mampivavaka ary afaka mitsabo ihany koa amin'ny alalan'ny fivavahana.
Rehefa nataony izay hahazoana ny fitokisan'ilay ramatoa, dia saika hovetavetainy izy io. Soa ihany fa afa-nitsaoka ity ramatoa, ary nametraka fitarainana. Maro dia maro anefa ny miaro ny lehilahy aty ambadika, ary efa nanangona vola be izy ireo hamoahana azy. Ilay ramatoa kosa, naka mpisolovava hiaro ny momba azy. Dia izao nitsoa-pahana izao izy ity. « Tsy zakako ny miady irery, hoy izy. Raha ny ara-dalàna, dia diso ary tokony ho voasazy ity lehilahy ity. Fantatro anefa fa dia atody miady amam-bato isika. Tsy hanao aho. Inty ny vola ary dia miala aho. » Raha ny voalazany aza, dia toa voavidy hatramin'ny any amin'ny tribonaly.
Vaovao farany
Amin'ny 28 febroary izao ny fitsarana mikasika ity raharaha ity. Ny vaovao farany dia milaza fa tsy manan-taratasy ara-dalàna ity lehilahy mpivavaka. Tsy voasoratra n'aiza n'aiza. Izy ihany koa anefa dia efa voarohirohy tamin-draharaha mitovitovy amin'izao tany Mahajanga tany, dia izao nitsoaka any Nosy Be izao izy.
Ny faraparan'ny volana janoary no niseho ny raharaha ary mbola voatazona any am-ponja vonjimaika izy. Saingy na ity mpisolovava aza dia efa manahy fa ho very maina ny fitarainana.
Dia ahoana izany ?




Fianianan'ny filoham-pirenena
Enin-taona lasa izay...
22 febroary 2002, 22 febroary 2008. Enin-taona lasa izay.Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana ny tantaram-pirenena. Tokony ho notsarovana omaly ny nanaovan'ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, fianianana voalohany amin'ny maha filoham-pirenena azy. Ny lasa tsy fanadino hoy ny fitenenana, ka raha tao anatin'ny fotoana nahamay no nisehoan'izany dia tsy maty am-pon'ny malagasy. Tantara ireny ka tantara ! Tsarovana ny fiarahana politika, niarahana nandrombaka ny fitondrana. Fianianana nandavoana an'i Ratsiraka Didier sy ny ekipany ireny. Nilavo lefona ireto farany rehefa tratry ny angaredona. Niseho sehatra avokoa ny tavan'ny mpanao politika avo lenta tamin'ireny fotoana ireny. Tsy niala tamin'ity filoha ity koa ny vahoaka tamin'ireny fotoana ireny, ka nanjohy azy hatrany. Tsy hadino ny endrika miramirana rehefa nahazo ny kianjan'ny 13 mey ny vahoaka notarihany. Ny mpanohitra ny fitondran-dRatsiraka no anisan'ny nahazo seza teo amin'ity kianjan'ny tolona ity. Teo dia efa voatombatombana ny fizarana seza, ary dia nanome fahafaham-po ny ekipan-dRavalo. Tsy maina akory anefa ny ravina nihinanana dia tonga amin'ny tsotsorimamba nisarahana. Raikitra ny ankisambotsambotra.
Manefa ny saziny avokoa ireo gadra politika voasambotra amin'izao fotoana izao. Tsy hita izay nanenjehana ny ekipan-dRatsiraka ka niafara tamin'ny fisamborana ny namana niara-nitolona. Naka toerana tsikelikely ny zazavaon'ny politika. Ankehitriny dia toa iniana tsy tsaroana ireny satria nirakitra tantara nampalahelo. Voahilika hatramin'ireo mpitolona nanao vy very ny ainy, nametrahana fitondrana vaovao.
Amin'izao fotoana izao dia tsy misy olom-baovao ao amin'ny fitondrana fa saika ireo ekipan-dRatsiraka sy Ravalo ihany. Hadino ireo namoy havana, sy ireo nitondra takaitra mandrampahafaty.




Voinkava-mahatratra
Teraka ny fanararaotana
Satriko aza maratra. Tanteraka io fomba fiteny io manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana. Miaka-bidy avokoa ny entana rehetra amidy eny an-tsena toy ny vary izay tafakatra hatrany amin'ny 2000 Ar. ivelan'ny renivohitra. Ny kojakoja ilain'ny mponina andavanandro « PPN » dia nahitana io fiakarana io avokoa. Voalaza fa ny hafitsoky ny mpitatitra no nahatonga izany.
Raha nidina teny amin'ny toby fiantsonan'ny mpitatitra amin'ny zotra nasionaly ny mpanao gazety namakafaka momba izany, dia voalaza fa ny làlana tapaka no fototry ny olana. Ny làlana ratsy, ary maharitra telo andro vao tafakatra ny làlam-pirenena raha amin'ny toerana ambanivolo. Tsy azo lavina anefa fa misy ny tena manararaotra tsotra izao, ka ny entana efa ao an-tsena nandritra ny fotoana ela no hampiakarina ny vidiny raha vao tonga ny rivo-doza. Ny menaka sy ny vary, ary ny saribao no tena nahitana io fiakarany io.




Fay
Aleo mangina toy izay higadra. Adalan'izay mbola te-hiditra amin'ny tabataba eto amin'ny firenena fa raha izaho aloha dia aleoko miasa. Isan'ny teny nataon'ny mpanao Politika iray, izay isan'ny nafana fo teny amin'ny amin'ny antenimieram-pirenena nefa lasa ben'ny tanàna ankehitriny. Toa miendrika ho anatra ho an'ireo namany mbola miroso amin'ny fanoherana ny tenin'ity lehilahy iray ity. Raha tsorina dia aza misy manohitra intsony e. Dia avela handeha ila ve anefa ny firenena raha toa hangina tsy hisy hiloa-bava. Tsapa ankehitriny fa maro no matahotra ny fitondrana, ary toa lasa sorona tsy fidiny fotsiny ireo nanao vy very ny ainy tamin'ny fotoan'andro ka mbola mijaly any am-pigadrana mandrak'izao. Tsy takona afenina fa na ny mitsidika ireo namany any am-ponja aza tsy misy ataon'ireto milaza ho mpanohitra ireto. Izay ve anefa no tsy hilazana ny tsy rariny miseho eto ?




Fenoarivo Atsinanana
Tsy manan-kialofana hatramin'ny voafonja
Mbola nahazoana akony ny fandalovan'ny rivo-doza « Ivan », farany teo, tany amin'ny distrikan'i Fenoarivo-Atsinanana.
Anisan'ny nitondra faisana moa ny faritra Analanjirofo. Ankoatra ireo tranom-panjakana sy tranon'olon-tsotra marobe dia rava 100% ny fonja any an-drenivohitry ny faritra Analanjirofo. Potika tanteraka ny rindrina sy ny tafo ary tsy manan-kialofana mbamin'ny gadra. Araka ny vaovao azonay dia miisa 27 ireo gadra tao amin'ity fonja potika ity. Soa ihany aloha fa mbola tsy nisy nandositra ireo gadra ireo fa nijanona any amin'ny toerana nametrahana azy ireo.
Tsahivina fa olona telo no maty tany Fenoarivo-Atsinanana tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza « Ivan ». Ireo trà-boina an-jatony dia napetraka vonjy maika ao amin'ny EPP any an-toerana. Mbola tsy ampy moa ny toerana ametrahana ireo tsy manan-kialofana. Efa nandalo tany an-toerana moa ny filoham-pirenena tamin'ny herinandro teo nijery ifotony ny fahavoazana ary efa manomboka tonga any an-toerana ny fitaovana hanarenana ny simba.




Kaomina Belo/Tsiribihina
Nanenina nanao depiote i Faharo
« Potika ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina, ary tsy maintsy harenina haingana. Tsy harenina amin'ny asa tsy ho tanteraka anefa fa amin'ny asa vitan'ny tànana ». Io no nambaran'ny ben'ny tanànan'ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina Faharo Ratsimbalison. Apetraka ny hazo aritifisialy hanome endrika ny tanàna, ary na dia kely aza ny hetra miditra ao amin'ity kaominina ity, dia tsy maintsy mandroso ny tanjona. Vola tangosana amin'ny vidin'anana no mba hetra miditra hampandrosoana ity kaominina ity. « Miaramila aho, ka tsy mihemotra amin'ny tanjona izay napetrako, dia ny asa ihany. Potika ny làlana ao antampon-tanàna sy ny miditra ao amin'io kaominina hiadidiako io, nefa tsy hiantehitra amin'ny fanampiana ataon'ny fanjakana fotsiny, fa eo ny tanako sy ny vahoaka hametraka asa hita maso, fa tsy sanatria nofinofy. Manoloana ny fianam-pirenena ankehitriny, dia aleoko aloha mangina, satria maro ny asa mbola miandry ahy. Nanenina aho nanao depiote, satria mpanao lalàna io fa tsy mpanatanteraka. Izao aho mpanatanteraka afaka mamita ireo fotodrafitr'asa ho an'ity tanàna hiadidiako ity ». Manantena ihany koa ity depiote teo aloha ity, fa tsy hisy ny sakana mety ho ataon'ny hafa amin'ny fampandrosoana itony tanàna itony, satria ny filoham-pirenena vonona hiara-hiasa amin'ny rehetra.




Tsy ampy fanazavana
Miroso mametraka ireo rafitra ao anatin'ny lalàmpanorenana ny fitondrana ankehitriny. Tafiditra ao anatin'io ny fametrahana ny mpanolon-tsaim-paritra izay hatao ny 16 martsa izao. Tsy iadiana hevitra ny fangatahana ny fanemorana io fifidianana io, fa ny tsara hidirana lalina dia ny hoe, fantatry ny vahoaka ve ny tena andraikitry izany mpanolon-tsaim-paritra izany ? Io no ilana fanazavana mafonja amin'ny vahoaka, mba tsy hifidy an-jambany izy ireo. Maro no milaza fa ho vitsy ny ho tonga handatsa-bato amin'io daty voalaza etsy ambony io, ary porofon'ny tsy maha-rototra ny maro amin'izany fifidianana izany ny maha-vitsy ny mpifaninana amin'io sehatra iray io. Ny fiatombohan'ny volana martsa izao no ho raikitra ny fampielezan-kevitra ho an'ny antoko sy fikambanana nirotsaka ho fidiany, hanao ahoana ny mety ho fandraisan'ny olona ny hevitra haposaky ny mpifaninana ? Mazava ho azy fa tsy misy afa-tsy ny fandresen-dahatra ny hifidy ny tena no masaka ao an-tsain'ny kandidà, ary ho anjorom-bala ny andraikitry izy ireo. Tsy aleo ve aty am-piandohana dia efa manao ezaka ho fampahafantarana izany ny fanjakana ? Mino isika fa mbola tsy tara, nefa vahoaka mbola ao anatin'ny ratra ny rivo-doza ve hifantoka amin'izay fifidianana ? Anjarantsika no mieritreritra.




Fanampiana ny traboina
« Manararaotra Ravalomanana », hoy ny AKFM
Apetraho ny resaka politika fa ain'olombelona no vonjena. Io no fanehoan-kevitra nataon'ny antoko AKFM taorian'ny fivoriana nataon'ny birao politika ny faran'ny herinandro teo.
Adidin'ny fanjakana ny manampy ny mpiray tanindrazana, ary volam-panjakana no ampiasaina fa tsy vola manokan'ny mpitondra. Noho izany dia tokony atao mitovy ny fizarana ny fanampiana fa tsy zara vilana. Nanome ohatra tamin'ny seho tany Toamasina sy Ambatondrazaka ny AKFM izay hita ny fitongilanana raha oharina ny teto Antananarivo.
Hita ny fanararaotana ataon'ny filoha Ravalomanana mampiditra resaka politika mandritra ny fitsidihana ataony. « Atsaharo io, fa ny ain'ny mpiray tanindrazana no banjino », hoy ny AKFM.
Manoloana ny fifidianana izay ataontsika ny volana martsa izao kosa, dia tsapa izao ny fahamarinan'ny fitakian'ny hery maro samy hafa ny hanemorana ny fifidianana. Tsy hifantoka amin'io ny sain'ny vahoaka, satria ny fanarenana ny simba vokatry ny sikilaonina no mby masaka ao an-tsainy. Mbola mitaky ihany ity antoko ity, ny hanafoanana tanteraka io fifidianana io, fa tsy ahemotra. « Miaraka hory amin'ny vahoaka Malagasy izahay », hoy sekretera nasionalin'io antoko io, Rakotomanga Erick.




Mihorohoro ny manodidina
Tafakatra eto andrenivohitra ireo jiolahy heverina fa atahorana avy any Antsiranana. Nisy ny nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora, ary ireo tsy ampy taona kosa voalaza fa eny Anjanamasina no natoby.
Raha ity farany no asiana resaka, dia mihorohoro ny mponina eny Anjanamasina noho ny fandrenesana io vaovao io. Ny resaka fiaravona ny faritra hitazonana itony olona itony no antony. Hiarahana mahita ihany ny havitsin'ny mpiambina io toerana io. "Ny tamboho azo hitsoahana", hoy ny mpitazana, "ary raha sanatria ka misy goragora miseho amin'ny fiambenana azy ireo, tsy izahay manodidina ve no hizaka ny vokatra ratsy ?" Tsy ny maha-tsy ampy taona azy ireo no jerena fa ny laza ratsy navelany tany Antsiranana. Izay no hanaovana antso avo ny hanamafisana ireny fonja ireny, sao tonga amin'ilay fiteny hoe : miala any Antsiranana, dia Anjanamasina.




Fanampiana ho an'ny traboina
Ny mpanararaotra no voky
Io indray ilay fitiavantena eo amin'ny gasy. Fanampiana natokana ho an'ireo traboina natolotry ny filoham-pirenena Ravalomanana no misy manodina sahady. Saika tsy mandeha amin'ny laoniny avokoa ny vola, ny vary sy ny voamaina natolotra ho an'ireo niharam-pahavoazana.
Tetsy Anosimahavelona dia nahitana izany, satria vola 2 alina ariary isam-pianankaviana no voatokana ho zaraina isan'andro, dia maro no tsy nahazo ny anjarany. Izay mba mahazo indray, dia tsy misy afa-tsy dimy arivo ariary no anjarany. Nankaiza ny ambiny ?
"Nalefanay eny amin'ny Polisy akaiky anay ny vola natolotry ny sefom-pokontany lefitra", hoy ireto vahoaka ireto. "Tsy fidiny ho anay ny hipetraka amin'ny trano lay toy itony, nefa mbola misy ny fitiavantena eo amin'ny gasy sasany". Mazava ho azy fa ny mpanararaotra no voky alohan'ny traboina. Inona no sazy omena ny mpanararaotra ?
Raha ny trano hitoeran'ireto traboina etsy Tanjombato sy Anosimahavelona ireto no atao indray mijery, dia mahatratra hatrany amin'ny 30 olona no mitoetra ao anaty tranolay kely. Midika io fa misy fiantraikany eo amin'ny lafiny fahasalamana ny toy izao.




Ankadilalampotsy-Ankaraobato
Nesorina ny filoham-pokontany, nikomy ny vahoaka
Olona an-jatony no nikomy teo anoloan'ny biraom-pokontanin'Ankadilalampotsy, kominina Ankaraobato, omaly tontolo andro.
Araka ny vaovao azo teny an-toerana, dia vokatry ny fanesorana ny filoham-pokontany no anton'izany fikomiana izany. Niezaka nandamina ny raharaha ny ben'ny tanàna Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ka ny tolakandro vao nilamina izany. Ny lehiben'ny distrikan' Atsimondrano moa no nanasonia ny didy nanala ny filoham-pokontany teo amin'ny toerany. Anisan'ireo nofidiam-bahoaka moa ity filoham-pokontany ity ka izany no nahatonga ny olona nampiaka-peo.
Araka ny vaovao azonay teny an-toerana ihany, dia andro vitsy monja taorian'ny fifidianana ny mambran'ny biraom-pifidianana tao amin'ity fokontany ity no nanalana ilay sefom-pokontany. Toa hoe nisy olona roa voafidy ho mambran'ny biraom-pifidianana ao amin'ny biraom-pandatsaham-bato iray tsy ankasitrahan'ny manam-pahefana iray eny an-toerana, ka nasainy nesorin'ny filoham-pokontany. Toa hoe tsy nanaiky ny hanova azy ireo anefa ny filoham-pokontany satria izay lanin'ny besinimaro ihany no izy ka izay no antony nanesorana ity filoha ity.
Ity fokontany Ankadilalampotsy ity moa no be mponina indrindra (maherin'ny 8.000) ao anatin'ny kominina Ankaraobato.
Asa aloha izay ao ambadik'izao fanesorana mambran'ny biraom-pifididianana izao. Soa fa nitony ihany ny vahoaka rehefa nandresy lahatra azy ireo ny ben'ny tanàna hanaiky ny fandaminana nataon'ny lehiben'ny distrika.




Antananarivo renivohitra
An'ny mahantra ny dabam-pako
Apoitran'ny fisavovon'ny fako ny olona mahantra eto an-drenivohitra. Misavovona ny fako manerana ny renivohitra amin'izao fotana izao. Tsy misy dabam-pako tsy ahitana olona mpitsindroka amin'izy ireny. Eto dia fianakaviana iray mihitsy no mifarimbona, ao anatin'ny ora fisakafoana indrindra. Sakafo no tadiavin'ireo olona ireo. Izay mahita, avy hatrany dia any am-bava. Misy amin'ireo olona mahantra, monina eny amin'ny zaridaina etsy Antanimbarinandriana no tonga eny Anosibe, manenjika dabam-pako. Ny fako amin'iny boriborin-tany faha 4 iny mantsy no betsaka dabam-pako, feno fako isan'ora. NY dabam-pako aty ampovoan-tanàna indray dia toa misy tompony, toy ny etsy Analakely, ambadiky ny Lycée Rabearivelo. Misy dabam-pako roa no ambenan'ny mahantra eo. Dioviny, heveriny ho azy mihitsy ny toerana ka na ireo mpanary fako aza dia matahotra manatona ny dabam-pako. Tokana ny vahaolana mba tsy hampihinanana maloto an'ireo mahantra, dia ny fandraofana haingana ny fako. Eto dia tsy ny fiara mpitatitra ny olana, fa ny fanariana fako eny Andralanitra no mlanahirana.




Antoko TIM
Tsy propagandy fa famonjena
Vita ny fitia tsy mba hetra, niroso tamin'ny famonjena ny traboina ny TIM. Tetsy amin'ny birao nasionaly mitantana ny fanampiana amin'ny loza voajanahary Antanimora no nanoloran'ny antoko TIM ny fanomezana ho an'ireo traboina farany teo. Vary, vola, fanitso, voamaina, savony, menaka. Ireo no anjara fanampiana ho an'ny mpiray tanindrazana nataon'ity antoko ity. Tonga nandray ireto fanampiana ireto ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara, ary ny birao Politikan'iTIM kosa no nanolotra izany izay notarihan'ny filohany. "Tsy propagandy fa famonjena ain'olona no ataonay", hoy ny depiote Louis Bernard. Manakaiky ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra, ary tao anatin'io no tonga ny rivo-doza tsy atao ny famonjena ka aoka hiavaka tsara ireny resaka ahely mandoto ny olona tsara sitra-po ireny.




Tsaralalàna FIATA
Peu d'intérêt pour les élections régionales
Rafaralahimahefa Emmanuel, président du Fokontany d'Isotry Atsinanana, Tsaralalàna, Ampasamadinika (FIATA) est las du peu d'intérêt du Fokolona pour les élections régionales du 16 mars. Tribune lui ouvre ses colonnes pour s'exprimer.
* Madagascar Tribune : Pourquoi faites-vous du porte-à-porte pour distribuer les cartes électorales ?
Rafaralahimahefa Emmanuel : « Les gens semblent n'avoir aucune intention de récupérer leurs cartes électorales. Voyez vous-même la quantité de cartes qui ne sont pas encore récupérées par leurs propriétaires et qui encombrent notre bureau ».
* Qu'est-ce que cela veut dire pour vous ?
Je crains fort un taux d'abstention record pour ces élections. Les gens devraient se précipiter de récupérer leurs cartes électorales, ne serait-ce que pour voir la nouvelle carte, avec sa nouvelle couleur, mais non, il a fallu que nous fassions du porte-à-porte avec nos 4 chefs secteurs.
Propos recueillis par Manjaka Hery




Jiolahy sy dahalo ve samy hafa ?
Izay vandana dia kary. Andro aman'alina no hanaovan'ny mpitandro filaminana haza lambo ireo tanora nahavanon-doza tany Antsiranana, ka nafindra aty Antananarivo ireo izay voasambotra. Ny fonja hitazonana azy ireo kosa no samy hafa.
Volabe no lany amin'izao asa famongorana ny ratsy izao, satria nanofàna fiaramanidina manokana ireto jiolahy ireto nampiakarana azy aty an-drenivohitra. Fotoana fohy, dia maro no voasambotra, ary samy nifitsaka any amin'izay heveriny fa toerana tsy ahazoana azy ny ankamaroan'ireto ambara ho tanora mpanao asa ratsy ireto. Na eo aza anefa ny fiafenana ataon'ny sasany, dia saika misy hatrany ny voasambotra isan'andro, ary fahombiazana lehibe ho an'ny mpitandro ny filaminana ny fanaovana sarika am-pandriana.
Dia lasa ny saina mahita izao ezaka ataon'ny fitondrana izao. Ny jiolahy sy ny dahalo ve samy hafa ? Firy taona izay no nandripahan'ny dahalo ny omby sy ny fananan'ny mponina tany Tsiroanomandidy, Ihosy, Ambatofinandrahana, Ikalamavony, Morafenobe, Besalampy, Ivohibe sy ny maro hafa ? Nangataka ny handefasana helikoptera ny vahoaka hamongorana ny dahalo, nefa toa tsy hita firy ny vokatry ny fangatahana. Nahoana no tsy hanaovana ezaka lehibe toa ny natao tany Antsiranana iretsy faritra voalaza fa mampasiaka ny dahalo iretsy ? Rehefa misy ny vola tokony ho laniana hampandriana ny tany, dia tsy tokony hisy mizana mitanila. Raha izay no tanteraka, dia ho fongotra tsy ho ela ny asan-dahalo, mampitaraina ny vahoaka. Ampiakaro aty Tsiafahy izy ireo raha atahorana ho afaka mandositra any amin'ireo fonja isam-paritra.
Ho valin'ny lohatenin'ny teny zatontsika anio, dia mitovy ny dahalo sy ny jiolahy, satria samy tontakely izy ireo.




Sekolim-panjakana
Mitaky ny hifindra any ny tra-boina
Zara raha misy hitsorana. Trano lay zara raha mahazaka olona folo nefa mihoatra lavitra an'io no misy anay. Inona no tsy hamindrana anay any amin'ny sekolim-panjakana misy eto amintsika ? Ireo indray no heno amin'ny fitarainan'ny tra-boina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mety hiteraka aretina ho anay ny fipetrahana amin'ny lafika mangatsiaka, sy trano lay tery sy hivangogoan'ny fofona isan-karazany. Mangataka izahay ny hamindrana anay toerana hafa hoy ireto renim-pianakaviana maromaro nitaraina tamin'ny mpanao gazety.
Mety hisy fiantraikany any amin'ny fianaran'ny ankizy madinika ny fidiran'ny traboina amin'ny sekoly tahaka izao, nefa raha herinandro mandra-pidin'ny rano eny amin'ny trano fonenanay ve hisy akony hafa amin'ny fampianarana ? « Hifampitsinjo isika fa tsy hifamono, nefa raha tsy mety tsy olana fa fiangaviana ny anay », hoy ramatoa Bako nitarika ireto tra-boina ireto tetsy Atsimondrano.




Ambatomainty : zaza vao teraka
Misy loaka eo amin'ny lohany
Nisy loaka ny lohan'ilay zazakely vao teraka. Zava-niseho tao amin'ny tobim-pahasalamana fampiterahana ao amin'ny distrikan'Ambatomainty io, tamin'ny faha 21 febroary lasa teo. Araka ny vaovao azo, dia nipotsaka teo amin'ilay loaka eo amin'ny lohan'ity zaza ity ny atidohany. Nahagaga ny rehetra ny seho fa tsy vaovao tamin'ny fianakavian'ity vehivavy niteraka ity. Voalaza fa zanany faharoa ity. Tamin'ny taona 2000 izy no niteraka ny zanany voalohany, tsy nisy valaka tamin'ity nahazo ny zanany faharoa ity no nahazo izany zaza izany. Afaka 3 andro taorian'ny nahaterahany moa dia maty ilay zaza tamin'izay fotoana izay. Efa nanatona mpitsabo ity ramatoa ity, saingy sarotra ny fanazavana satria resaka ara-tsiansa mihitsy izy ity. Vinavinaina ho tsy fahampian'ny singa maha zaza hary azy no mahatonga ny zava-niseho, izany hoe mety ho antony ara-pahasalamana manokana.




Soarano
Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana
Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin'izao fotoana izao. Manomboka manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan'ny sinoa taloha, ilay miankina amin'ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin'ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy kojakoja madinidinika no betsaka. Amin'ny hariva, manomboka amin'ny 5 ora kosa, dia an'ny mpivarotra irery ny lalana. Tonga indray eo ny « friperie » sy ireo entana sinoa isankarazany. Nanomboka omaly dia manamboatra io trano fivarotana io ny kaominina. Teo no nanomboka ny varotra mandehandeha ka tsikaritra tokoa fa olona miady amin'ny fiainana izy ireny. Ao no bevohoka sy mareforefo, nefa dia mifanenjika amin'ny mpiasan'ny kaominina.
Raha hiverenana ny tantaran'ity trano eo Soarano ity, dia niantohan'ny sinoa ny nanamboarana azy. Nisy ny fifanarahana tamin'ny FRAM ao amin'ny EPP Soarano, nahafahany nanavao ny trano. Afaka volana vitsy dia nalain'ny kaominina ny trano ka tapaka teo koa ny fifanarahana. Hihitatra tsikelikely amin'ireo amoron-dàlan'i Behorirka ny fanadiovana arak'izao fandehany izao.
Rahoviana kosa ny eny Anosibe ? Tompon'ny lalana marain-tsy hariva ny mpivarotra, efa taona vitsivitsy izay. Ny karazan'entana rehetra no hita eny. Ao ny lamba tonta, ny sakafo, ny finday amoron-dalana, ny kojakojan-tokan-trano ary ireo entana efa niasa.




Aleo mitsabo toy izay misoroka
Tsy diso famaky ianao fa ny zava-misy no mampamadika ilay fomba fiteny tena izy. Hiverenana kely ny fahapotehana mahazo ny tranom-panjakana maro eto amintsika isaky ny mandalo ny rivo-doza. Ny sekoly, hopitaly, tranom-pokonolona, ny biraom-panjakana isan-karazany. Indray mipi-maso monja dia rava izy ireny. Ny antony dia tsy misy fikarakarana ataon'ny tompon'andraikitra izay mitantana ireny fananam-bahoaka ireny. Tamin'ny andron'ny repoblika voalohany no tena nahitana tranom-panjakana niorina teto. Nifandimbiasan'ny mpitondra fony repoblika faharoa, nefa tsy mba noheritreretina ny hanatsarana azy. Dia io iarahana mahita io ny fahapotehany amin'izao repoblika fahatelo izao. Ho diso ve ny fijery raha mahita ny fahapotehana isaky ny mandalo ny rivo-doza ? Ny tsapa dia aleon'ny sasany mitsabo toy izay misoroka. Mino isika fa hisy ezaka lehibe hiarovana ireny vakoka sisa tsy ravan'ny rivo-doza ireny, ary samy hikajy itony fananam-bahoaka itony avokoa isika mianakavy.




Fifidianana 16 martsa
Kandidam-paritra no betsaka
Raikitra ny fifaninana hiakarana eo ambony seza. Tsy seza toy ny fahita eny an-tsena, fa seza hitoeran'ireo te handray ny fahefan'ny mpanolon-tsaim-paritra eto Madagasikara ny 16 martsa izao.
« Vonona izahay ato anatin'ny antoko TIM », hoy ireo birao politika sy ny mpikambana ao aminy. « Izahay irery no mahafeno ny distrika rehetra manerana an'i Madagasikara. Ny hafa kosa toa kandidam-paritra no betsaka ». « Porofo ireo », hoy ny avy eo anivon'ity antoko ity, « fa vonona hiatrika ny fampandrosoana ny antoko ». Raha atao tomba-maso kosa anefa, dia misy raha tsy manjary ao, hoy ny mpitazana. 170 no isan'ny antoko Politika eto Madagasikara, saingy toa zara raha nisy nirotsaka izy ireo. Ny fikambana tsotra no betsaka. Tsy mbola tafapetraka eto anefa ny antoko ankavia sy ankavanana izay hany mba mpifaninana any amin'ny tany mandroso, nefa dia toa manome endrika izany ny fahavitsian'ny mpifaninana eto.
Ny kandida hifaninana ve no tsy misy, sa ny fanatanterahina ny latsa-bato no mampalailay fonosana ny maro ? Isika rehetra no miara-mamantatra izany.




Propagandy
Hafana ny fanehoan-kevitra
Mety ho diso fijery ny maro, raha mahita fa toa mangina ny tontolom-pifidianana atao atsy ho atsy. Ny filatsahan'ny kandida no mangatsiaka, fa maro amin'ireo mpanao Politika kosa no hisafika ny fampielezan-kevittra amin'ity indray mitoraka ity.
Efa misy ny fifanarahana vita nataon'ny mpanohitra maro amin'ireo izay sahy nilatsaka, fa hiaraka haneho hevitra eny rehetra eny. Tsy hanohana kandida fa hitsikera fanjakana. Sarotra ny fanehoan-kevitra eto amintsika, ka zara aza nisy sehatra ahafahana maneho ny alahelo hoy ny antoko politika hafa. Hita taratra io raha ny any Moramanga no jerena. Niainga tamin'ny fitsimbadihan'ny vokatra ho amin'ny toeran'ny ben'ny tanàna io alahelon'ny mpanao politika io, ka haseho vahoaka mandritra ny propagandy izao. Raikitra izany ny angaredona amin'ny mpitondra a !




RAZANAJAONA Henriette
13/02/04- 13/02/08
(Mpiasan'ny CNAPS)
Efa-taona izay no nandaozanareo anay. Miantso izay mahafantatra azy ireo mba hahatsiaro am-bavaka ho fialan-tsasatry ny fanahin'izy ireo.
Hoy ny zanany, ny zafiny, ny fianakaviana manontolo.




Andohan'Analakely
Mpiasan'ny RTA matin'ny lozam-piarakodia
Olona iray no maty, olona efatra hafa no naratra. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho tetsy Andohan'Analakely anoloan'ny toby miaramila RM 1 omaly maraina tamin'ny iray ora sy fahefany teo ho eo. Avy any amin'ny araben'ny fahaleovan-tena ity fiara 405 nitondra olona miisa 5. Araka ny nambaran'ny nanatri-maso dia nandona « beton » mitsatoka amin'ny sisin-dalana ankavia ilay fiara, ka nianga ambony ary nivadika rehefa avy nikipilipily. Voaterin'ny familiana ny mpamily ka nosokirin'ny olona sendra nandalo. Ny fiara kosa dia nihoson-dra tanteraka. Araka ny vaovao azo ihany dia avy nankalaza tsingerin-taona ireto olona ireto, izay marihana fa mpamokatra fandaharana amin'ny haino aman-jery RTA. Mampandihy rahateo no asany izay nanafana ny lanonana.
Hatramin'ny omaly tolakandro dia mbola teny amin'ny tranom-paty HJRA ny razana. Mbola tsaboina ihany koa ilay zazavavy tompon'ny tsingerin-taona izay voamarika fa voa mafy. Ny olona telo hafa moa dia tsy misy atahorana ny ainy, rehefa nahazo fitsaboana.
Tonga teny amin'ny HJRA avokoa ny fianakaviamben'ny RTA nijery ny razana sy nampahery ny fianakavian'ny mana-manjo.




Kongresin'ny AREMA
Handravina ny disadisa
Tonga ny fotoana handravonana ny disadisa anatiny. Ho fongorona ifotony ny poizina izay namono ny antoko nandritra ny taona maro. Nisy io matoa niongana tamin'ny fitondrana izahay, hoy ingahy Pieer Holder sekretera nasionaly eo anivon'ny AREMA.Manoloana izany, dia hanao ny kongresy andiany faha-roa ny antoko ny 9 Martsa izao. Mpikatroka manerana ny faritany mahatratra 400 no andrasana aminizany. Notsiahivina tao fa ny taona 97 no nisy kongresy voalohany rehefa niverina teo amin'ny fitondrana ingahy Ratsiraka, ary izao indray ny faharoa. Tianay hampetraka ny hoe manao ahoana ny herinay, raha toa ka tsy eo amin'ny fitondrana intsony no manao itony kongresy lehibe itony ? Tsy ho diso anjara amin'io ny fijerena ny raharaham-pirenena izay misy ankehitriny. Ao anatin'ny fotoan-tsarotra ny vahoaka hoy ny AREMA ary nanao fampitaha ny vidim-piainana fony ry zareo teo amin'ny fitondrana, sy ny ankehitriny. Aoka ho lesona amin'ny mpitondra ankehitriny ny fiongananay tamin'ny 2002 ireny, ka mba ahaizana mihaino ny feom-bahoaka.




Omeo an'i Kaisara
Tonga ny rivo-doza nirarakompana ny vola sy ny fanampiana nomena ny traboina. Rariny io, satria izay no adidin'ny fanjakana manampy ny vahoaka ao aminy. Tsy mahavita tona anefa ny fanampiana tahaka izao, saingy vaza mihetsika kosa, ary aleo misy toy izay tsy mihinana.
Raha mijery ny fahavoazana, dia saika ireo olona sahirana avokoa no nalefa any amin'ireny trano lay ireny. Tsy vitsy no nilaza fa aleonay traboina, mba mahazo izay tokony ho azo.
Izay no tokony hijerena tetikasa hafa mba ahafahana manampy ireny mpiara-belona ireny, satria misy hany ny fanampiana azo ampiasaina, indrindra fa ny vola. Omeo an'i kaisara izay tokony ho azy raha misy ihany ny tokony hampiasaina. Miditra amin'ny fampielezan-kevitra isika manomboka anio, ary antenaina fa mbola hitohy ny fizarana fanampiana toy ny nataon'ny fanjakana. Mba samy mahazo ny anjarany eny ny tsirairay e.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray nody any Aminy ny Zoma 29 Febroary 2008 teo amin'ny faha-66 taonany.
Hoy :
Ny vadiny :
RAKOTOVELO Armand
Ny zanany :
Pasteur RAKOTONIRINASOA Hubert sy Tiana RAKOTOZANANY Heriniaina
Robert sy Landy RAHAMALITSIROFO Haja sy Mino
RAKOTOVELO Solofolala Berthin
Ny zafiny :
Tojo, Lafatra, Tsiresy, Dina
Ny mpiray tampo aminy :
Terak'Itpkv. RAVOLOLONDRAMBAHY
RAKOTONIRINA Raymond mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOARIMANANA Justin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itpkl. RANDRIANARISOA Maurice
Ny mpiray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Itpkl. RANDRIANARISON Bernard
RAHARIMALALA Bakoly sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOVELO Edmond sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOVELO Clément sy ny zanaka aman-jafiny Terak'Itpkv.
RAVOLOLONIRINA Jeannine
RAKOTOVELO Jean Claude sy ny zanany
sy ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany : Ankadifotsy Antanifotsy Ankadifotsy
Ny Fiangonana : FJKM Ilafy Fahazavana, FJKM Ambohimamory Malala Orimbato, FJKM Andravoahangy Fivavahana, FJKM Andraisoro Fehizoro.
Ny nofony dia hiala ao Ifaliarivo Ambanidia Lot VC 63 D ny Alatsinainy 03 Marsa 2008 amin'ny 12 ora antoandro . Hanaovana fanompoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Andravoahangy Fivavahana ary hapetraka ao amin'ny fasan-drazany Ambohimamory .
« Fa, izaho dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy ».
(Sal.73 : 28)




Simba ny toe-tsaina
Io ary ilay efa nahiana. Miparitaka ny horonan-tsary vahiny, mahay maka lesona ny gasy. Arivo ariary dia efa mahazo horonan-tsary vahiny, ary samy misafidy izay heveriny fa mahamety azy ny tsirairay. Miainga amin'io ihany koa ny fiparitahan'ny kolontsaina vahiny eto Madagasikara.
Tao ho ao, dia nahitana endrin-javatra tsy mifanahaka amin'ny foto-pisainana malagasy. Firenena iza no sahy hangalatra ny taolam-balon'ireo razany ? Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka indrindra. Tsy vitan'ny zaza mena vava ihany no ariana fa eo ny fisarahan-tokantrano ka samy maka ny zaza eo ankohonany ny ray sy ny reny.
Dia io iharahana mahita io ny famonoana olona saika isan'andro. Nofongorona tetsy sy teroa ireo razana izay nisy namono. Eny fa na hatramin'ny mpivady aza tsy mifandevim-belona intsony. Simba ny toe-tsaina napetraky ny razana tany tany aloha. Inona no vaha-olana ? Tsy hilaza isika fa ny fahantrana no maha-tonga io, saingy misy anjara tandrify lehibe ho entin'ny mpitondra fanjakana. Isan'io ny fanabeazana ny olona ahafantatra ny lalan-tsaina tokony handrindrana ny fiainana. Ny tsy fanomezana laka ny kolontsaina vahiny hitobaka be loatra eto. Ary hampiharina miainga ifotony ny fanabezana ny olom-pirenena hahay hitazona ny foto-pisainana teto amin'ity nosy ity. Saingy andeha amin'ny tokony ho izy ve ireo raha mbola mahantra ny isam-batan'olona ?




Fanafihana mitam-basy
Ny fanjakana no nampiofana ny dahalo
Mahalala ny tsiambaratelon'ny mpitandro filaminana ny dahalo.
Ireny zatovo manao raharaha miaramila vonjimaika ireny avokoa no ankamaroan'ny dahalo sy jiolahy eto Madagasikara. Nomena fiofanana hahay mitifitra ry zalahy, saingy zazavao miisa 10 amin'ny 1000 ihany no voaray manohy ny asa maha miaramila. Ny ambiny dia toy ny olona very asa, saingy tsy manana traikefa afa-tsy ny fahaizana mitifitra.
Halatra omby
Any Basalampy, Soalala ary MItsinjo iny dia sahy mihantsy zandary ny dahalo. Ananan'ireo dahalo rahateo ny basy. Amin'ny andro fahavaratra sy amin'ny andro diavolana no fanafihan'ny mpangalatra omby any amin'ireo faritra ireo.
Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa miha lany tamingana ny omby any an-toerana
Atidoha mikotrika
Dahalo ambony latabatra no mikotrika ny halatra omby. Ireo zatovo avy nandalo tany amin'ny tobin'ny miaramila no antsoiny sy irahiny mangalatra omby. Tsy misy ny karama ifanarahana fa izay omen'ny sefo ihany ( manodidina ny Ar. 10 000 ny omby iray). Ity dahalo ambony latabatra indray no manadio ny omby amin'ny alalan'ny taratasy sandoka.
Mahazo vahana
Manome vahana ny dahalo ny famindran-toerana ny zandary any amin'ireo tany saro-dàlana. Izay lasa dia tsy misolo. Ny fitaovana enti-manohitra ireo dahalo rahateo dia zara raha misy.
Mahazo vahana koa ny fanafihana mitam-basy. Na ny ety an-drenivohitra aza dia tsikaritra fa saika ireny olona nandalo tany amin'ny raharaha miaramila ireny avokoa no voafantina hanao fanafihana mitam-basy.
Ny vahaolana dia ny fitazonana ireny zazavao ireny, na dia hampanaovina asa fambolena ihany aza. Raha akapoka dia ny fanjakana no namokatra dahalo hatramin'ny fitondrana nifandimby.




Fampielezan-kevitra
Ny 80%'ny mpifidy no andrasan'ny TIM
Nangatsiaka tanteraka ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny sabotsy teo. Fampielezan-kevitra izay tsy nisy afa-tsy ny TIM no nanao izany manerana ny faritra maro. Miandrandra ny 80% ny vahoaka eto andrenivohitra ity antoko TIM ity, fa hanefa ny adidiny avokoa. Matotra amin'ny lafiny rehetra izahay hoy ny birao politikan'ny TIM, matoa mahafeno kandida amin'ny faritra izay hisian'ny fifidianana. Misy ireo mihevitra fa tsy misy vola na tombontsoa ny mpanolon-tsaim-paritra ka aleony tsy nirotsaka ho fidiana. Amin'ny TIM dia tanindrazana no jerena, ka na misy tombotsoa na tsy misy dia tsy maintsy manatanteraka ireo rafitra napetraky ny lalàm-panorenana izahay hoy ny filohan'ity antoko ity. Anio maraina dia hotohizana etsy amin'ny toerana malalaka Ambodin'Isotry ny fampielezan-kevitry ny TIM.
Ny tsy mifidy no fahavalo
Nohamafisin'ingahy depiote Ramamonjisoa Benjamin sy ny filohan'ny TIM Yvan Andriasandratriniony, fa ny tsy fahatongavan'ny vahoaka mifidy no fahavalo voalohany. Tsy fampielezan-kevitra fotsiny no atao fa ny fanentanana ny olona handray anjara amin'io fifidianana io. Manana anjara lehibe amin'ny fanentanana ny isam-baravarana ny TIM sy ny vahoaka tsirairay.
Be no tsy mivaky loha
Io sabotsy io no nilazan'ny ankamaroan'ny olona fa tsy mivaky loha amin'izay fifidianana ho avy eo izy ireo. Ny andraikitry ny mpanolontsaim-paritra dia tsy mazava rahateo. Aleo ny hanina ho hanina anio no jerena toy izay handany andro amin'ny resaka politika tahaka izao hoy ny maro. Io sabotsy io ihany no nahitana fa na ireo kandida matanjaka hifaninana amin'io 16 martsa io aza tsy mbola nametraka afisy eny amin'ny toerana tokony hanaovana izany.




Ambondrombe
Nifanandrina tamin'i Belzeboba ny Apokalipsy
Nihantsy an'i pastera Mailhol i « Belzeboba » sy ny ekipany.
Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon'ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan'i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin'ny olona iray nipetrahan'ny fanahin'ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin'ny farany ka mora tamin'ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan'ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan'ny fanahy ratsy ity. Rehefa nampiresahan'i Pasitera Mailhol ity devoly ity dia nilaza fa irak'i Belzeboba, ary any Ambondrombe no misy ny foibeny.
Nitarika ireo ekipany i Pasitera ka nananika an'Ambondrombe. Araka ny fitantarany sy ny horonan-tsary nentiny nanaporofoana ny zava-niseho dia nahazo ny sarin'ny ao Ambondrombe izy ireo. Nitoeran'ny fanahy maro sy fanahy ratsy tokoa any an-toerana, araka ny filazany ihany. Nifanandrina tamin'i Belzezboba i Pastera ka teo no namoahan'ny devoly tsiambaratelo maro. « Misy anay daholo ny andrim-panjakana, ary misy manana fifanarahana aminay amin'ireo mpitondra firenena amin'izao fotoana izao ». Io no nambaran'ny fanahy ratsy. Voalaza fa nisy amin'ireo mpitondra no nasainy namono ny zanany, nefa tsy nahatanteraka izany, ka ho avy izy hamono azy. « Hiaro an'ireny aho » hoy Pasitera Mailhol.
Naseho ny mpanao gazety omaly ny horonan-tsary andiany voalohany, ary haseho amin'ny manaraka ny tohiny.




Niova taranja
Tendrom-po tsy mba namana. Fihetsika kely monja dia mampiova zavatra betsaka eo amin'ny fiainam-pirenena. Raha ny lalao baolina kitra saika atao tetsy Mahamasina ny alahady teo no asian-dresaka, dia hita fa niova taranja ny mpitia ity taranja iray ity. Mpitsara iray tsy afaka namita ny asany no indro namotehana zavatra maro, ary nanome endrika ratsy teo amin'ity taranja baolina kitra ity.
Raha ny lalao baolina lavalava no nokilasian'ny hafa ho baolina be herisetra, dia any amin'ny baolina kitra indray no nivadika io fomba fijery io. Ny taona lasa iny no tokony ho tonga teto Madagasikara ny mpilalao baolina lavalava avy atsy Afrika Atsimo, saingy tsy tonga tamin'ny ora farany ireo vahiny. Tsy nisy korontana na zavatra simba tamin'izay. Ny mifanohitra amin'io kosa no nitranga teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Ny federasiona ve no tsy mahafehy ilay taranja, sa ny olona mihitsy no efa leo ny voafitaka lava ? Hanao ahoana indray ny mety ho fihetsiky ny mpitia baolina kitra raha sanatria ka resy eo ny Ajesaia ?
Hatreto dia lasa lalao atahorana ity taranja iray ity, satria ny fanarenana ny lesoka vita ny alahady teo, dia mbola sarotra. Lalao no hatrehana, kanefa fanimbana fananana no hita. Isika rehetra no indray manarina iny fahavoazana goavana nitranga ny alahady teo iny, mba tsy ho resy tondro-molotra eo anatrehan'ny firenena maro aty Afrika isika.




Gasy ho lasa vazaha
Ho any andafy. Vao maheno ny Malagasy dia roboka, satria sarotra ny fiainana eto, ka aleo mifindra lasy. Eo koa ny sodokan'ny rendrarendra vahiny, ka atao avokoa izay hialana eto an-tanindrazana mba ho any andafy, sitrany ahay mba lasa vazaha tapany.
Anio maraina no hanao ilay kaonferansa etsy amin'ny Motel Anosy ny orinasa iray avy any Aostralia « Ah Lan Associates » hikarakara ny Malagasy izay te-hifindra monina any amin'io firenena io. Vola 40.000Ariary no haloan'ny olona hikarakarana ny taratasy ahafahana mifindra any Aostralia.
Dia lasa ny saina : « fa angaha dia firenena farahidiny ity nosintsika ity no dia taomina hifindra lasy ny mponina ao aminy ? Inona no andraikitra raisin'ny fanjakana mba hisoroana toy ny raharaha Bahamas ? Midika izao fa ataon'ny olona toy ny kilalao ny fianan'ny Malagasy, ary ny tsapa dia mbola misy ny tsy leom-boanana ka tonga misoratra anarana hialana eto amin'ny tanindrazany. Ny vahiny aza maniry ny honina eto noho ny fahitana ireo harena voajanahary tsy fahita raha tsy eto, ka isika indray ve no hanao valalan'amboa ? »
Dia be ny gasy ho lasa vazaha raha mitohy ny toy izao. Maro ny mpiray tanindrazana no nivaro-pananana raha nandre ilay asa ho any Bahamas koa anjarantsika no mieritreritra momba ity fifindra-monina ho any Aostralia ity indray.




Sakaraha : Halatra omby
Novain'ireo dahalo ny volon'omby
Novain'ireo dahalo ny volon'omby, saingy tsy nahatakona ny maha omby halatra azy izany. Saron'ny zandary tao Ankazoabo, anatin'ny distrikan'ny Sakaraha ireo dahalo enin-dahy nitondra omby halatra. Nampiahiahy ny fokonolona ireto omby nandalo tao an-toerana ireto, ka niantsoana zandary. Rehefa natao ny fisavàna dia nanana taratasy mazava ireo omby noroahina. nisy nahatsikaritra anefa ny fanovàna ny lokon'ny volon'omby ka nitatra ny fanadihadiana. Teo no sarona fa sandoka ihany koa ireo taratasy nampiasaina. Voalaza anefa fa taratasy mitovy amin'ny ara-dalàna mihitsy izy ireo. Notanan'ny zandary ireo omby halatra ary natolotra ny fitsarana kosa izy enin-dahy. Tsy nisy ny fifanjevoana teto fa nanaiky nosavaina ireo dahalo nandroaka ny omby.




Bazar-kely Toamasina
Milalao maloto ny vahoaka
« Tsy misy azo iverenana intsony ny kiraro ». Renim-pianakaviana, tsy maintsy mamonjy ny toeram-piasany indroa isan'andro, no mitaraina mafy ny manjo ny mponina manoloana ny Bazar-kely iny. Rano miandrona, nanomboka ny fandalovan'ny rivodoza Ivan, mandraka androany no tafaresaka taminay.
« Efa tsy azo leferina intsony, kanefa dia iainanay isan'andro, hoy izy. Aiza ve ka dia raha vao misy fiara mandalo fotsiny eo amin'ny arabe, dia indro ny rano fa misosa moramora miditra ny tokotaninay ». Rano maloto, mivadika ho maitso tokoa no hitan'ny maso. « Ny ren'ny oronao mbola tsy fantatrao, hoy izy. Mila tsy hitady an'Ingahibe Masoandro intsony, satria tsy tanty ny fofony ».
Araka ny vaovao noraisinay tany an-toerana, ny alahady lasa teo, dia mbola « tinette » no ampiasain'ny vahoaka maro any. « Tsy mahagaga mihitsy raha milaza aminao aho fa milalao maloto izahay eto. Ahoana tokoa moa no hameranao izay mety ho vaorainan'ny ankizy madinika ? »
Fihetsiketsehana goavana
Mbola raharaha goavana , araka izany, ny manjo raha vao hivoaka ny trano. « Izaho manokana aloha dia manarama olona handray ny kiraroko mivoaka ny trano mandra-pahatongako ao anaty posy, satria eo aho dia tsy maintsy misolo mba tsy hahavoa baraka any am-piasana ». Torak'izay koa ny ankizy handeha hianatra ; bataina mandra-piala ny maloto. « Mandra-pahoviana re ? » hoy ihany ity renim-pianakaviana ity. Nandritra ny herinandro mantsy izao, dia avy foana ny orana. Faharavatra ny andro.
Nangonin'i R. Volana A.




Amin'ny finoana sy fanantenanana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny havanay malalanay
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy, ny Talata 04 Mars 2008, rehefa nivahiny 55 taona teto an-tany.
Hoy :
Ny vadiny, ny zanany, ny zafikeliny, ny Rainy, ny Rafozany ny iraitampo aminy, ny iraitampo amin'ny vadiny, ny fianakaviana manontolo.
Ny mpiara-miasa sy ny mpianatra eto amin'ny Lycée J.J Rabearivelo.
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Lycée J.J. Rabearivelo, Analakely, ny Zoma 07 Mars 2008, amin'ny 8 ora maraina , hoentina atao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambohimarina Atsinanana Alasora , alohan'ny hametrahana azy any amin'ny fasan-drazany ao AMBOHIJATOVO Ambohitrandriamanitra Manjakandriana.
« Fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo »
(IKor. 15:58)




Ny vadiny :
RAFIDISON Henriette
Ny zanany :
RAFIDISON Patrick sy RAJOELISOLO Fanja
RAFIDISON Patricia sy RAYNAUD Michel
RAFIDISON Christian sy RAMIANDRISOA Nicole
RAFIDISON Haja sy RABESON Sahondra
Ny zafikeliny :
Johary, Julien, Laurent, Antnony, Irina, Sandy, Herizo, Inès, Sarah
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy RAFIDISON Julien sy Itompokovavy RALIMANANA Christine mianadahy avy sy ny zanaka aman-jafiny
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Itompokolahy ANDRIAMALALA Paul sy Itompokovavy RAMASINORO Joséphine mianadahy avy sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ho antsika havana, tapaka sy namana rehetra tonga nidodododo nankahery sy nampionona ary nitondra amim-bavaka tamin'ny nahalasanany, tamin'ny 17 febroary 2008, ny havamalalanay :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo.
Miala-tsiny indrindra ho an'ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.
« Efa niady ny ady tsara aho nahatanteraka ny fihazakazahako aho, voatanako ny finoako ».
(II Timoty 4 : 7)




Fanafihana mitam-basy
Jiolahy roa no maty voatifitra
Nirefodrefotra ny feom-basy. Jiolahy roa indray no lavon'ny balan'ny polisy omaly maraina.
Tamin'ny 3 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso an-tariby ny polisim-pirenena ao amin'ny boriborin-tany faha 5, nanambara fa misy jiolahy nanafika trano fivarotana mpamongady iray eny Namontana Anosibe. Nihetsika ny polisy, niaraka tamin'ny GIR ka namefy ny làlana manodidina ity fokontany ity. Nandeha fiara karetsaka 2 CV anefa ireo jiolahy, ka nosakanan'ny polisy teny amin'ny arabe, raha mbola nifampitady tany anaty tanàna tany ny polisy sasany. Ireo jiolahy nenjehina mihitsy anefa no tao anatin'ilay fiarakaretsaka. Navoakan'ny polisy ry zalahy saingy namoaka basy ka ny an'ny polisy no tonga aloha. Voatifitra ity jiolahy nitam-basy ka maty teo no eo. Nikasa handositra koa ny namany ka voatifitra ary maty ihany koa.
Vola Ar. 75000, firavaka volamena isan-karazany, « baffles » 4, « logiciel uversaline 2007 », « chaîne » iray, finday ary entana samihafa no lasan'ireto jiolahy. Sarona tany amin'izy ireo moa ny basy poleta iray sy fonosana rongony. Tafaverina amin'ny tompony avokoa moa ny entana rehetra. Nomarihan'ny polisim-pirenena fa jiolahy avy nanefa sazy teny Tsiafahy ny iray tamin'ireto jiolahy ireto. Toerana anisan'ny anjakan'ny asan-jiolahy ny eny amin'ny faritra Anosibe eny, tato ho ato. Andro vitsy lasa izay no tsy namelan'ny polisy niriariavan'ireo jiolahy. Teo am-pifohana rongony, alohan'ny hanafihany no sarona hatrany ireo jiolahy. Matetika ihany koa no handraisana azy ireny amin'ity faritra ity, izay toerana faran'ny mafana eto an-drenivohitra.




Antsiranana
Mandrahona hitokona ireo ray aman-drenin'ireo ankizy notanana am-ponja
Mbola mitohy ny hetsika ataon'ny mpitandro filaminana amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fandriam-pahalemana any an-tampon-tanànan'Antsiranana. Nahatratra 121 moa ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana, nandritra ny hetsika manokana, ka ny 55 tamin'ireo no nentina taty an-drenivohitra mba ho tsaraina, araka ny fanapahan-kevitry ny minisiteran'ny fitsarana. Tsahivina fa 23 tamin'ireo no zaza tsy ampy taona. Ny ray aman-drenin'ireto farany moa dia efa nanao fihetsiketsehana fotoana fohy taorian'ny nitondrana ny zanak'izy ireo niakatra taty Antananarivo. Araka ny vaovao azonay farany dia toa hoe mandrahona ny hanao fihetsiketsehana indray ry zareo, amin'ny asabotsy 8 marsa izao, ho fitakiana ny fampodiana ny zanak'izy ireo.




Mpanara-maso ny fifidianana
Nankaiza ny vahiny ?
Antomotra ny fifidianana, vonona ny ho enti-manana rehetra. Fanazavana nentin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny minisiteran'ny Ati-tany io. Ny karam-pifidianana dia efa roboka amin'izany ny isam-pokontany. Ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana, dia hiroso hampahafantatra tsy ho ela ny kandida hifaninana.
Vonona ny mpitandro ny filaminana mahatratra 1134 haparitaka manerana ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara. Fa ny tsy mbola voaresaka, dia ny hoe misy mpanara-maso vahiny ve nafaran'ny fanjakana sa vitan'ny eto an-toerana fotsiny ? Isan'ny nireharehan'ny mpitondra ankehitriny ny filazan'ireto vahiny ireto fa mendrika taty Afrika ny fifidianana izay natao teto. Sa efa eo ny KMF/CNOE sy ny maro tsy voatanisa anao izany ?




Nifoha tamin'ny torimaso
Fa nankaiza daholo ny mpanao politika 170 eto Madagasikara ? Samy nametraka io fanontaniana io ny vahoaka raha nahita fa antoko vitsy sisa no mba hany sahy miatrika fifidianana eto Madagasikara. Manomboka anio dia hafana ny fanehoan-kevitra eo amin'ny sehatra politika ka hanomboka ny azy ry zareo eo anivon'ny antoko AKFM, izay hanao fihaonana amin'ny mpanao gazety. Ahiahy maro no apetraky ity antoko ity manoloana ny fifidianana izay atao tsy ho ela. Isan'io ny mety hividianana ny safidim-bahoaka. Ny fampitombona ny isan'ny mpifidy raha toa ka vitsy no manefa ny adidy. Ampahany io, fa rahampitso ny CRN no hiditra an-tsehatra eo amin'ny fanehoan-kevitra. Mitaky ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena ity fikambanana iray misy an'i Profesora Zafy Albert ity.
Ny antoko Monina ny sabotsy ho avy izao. Tsy tanteraky ny fitondrana ny fanamby napetrany tamin'ny vahoaka. Mpanohitra ity antoko nahorin'i Dada Monja Jaona ity. Etsy amin'ny tranom-pokonolona Isotry no hanaovana io fihaonambe io. Ny Arema dia hanao ny kongresiny andiany faharoa ny alahady izao. Midika io fa nifoha tamin'ny torimaso avokoa ny ankamaroan'ny antoko politika maro, ary hiantefa any amin'ny mpitondra ny balan'ny fanankianana manomboka izao. Hanao ahoana ny ho fiarovantenan'ny antoko TIM manoloana ireo ? Hatreto dia hifantoka betsaka amin'ny raharaham-pirenena indray ny sain'ny maro, raha tsy hoe efa mankaleo ny vahoaka angaha ity adilahy politika ity.




Ny Filan-kevim-pitantanana sy
Ny Tale Jeneraly ary
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny AIR MADAGASCAR
Dia mampandre amin'alahelo lehibe ny fahalasanana tamin'ny Alatsinainy 3 martsa 2008
Ny mpiara-miasa aminy :




Comité pour la Réconciliation Nationale (CRN)
En congrès à la Villa Elisabeth !
Le Pr Zafy Albert fera ce jour sa réapparition en public après le dernier drame de la Place du 13 Mai où ce père de la IIIème République et ses amis de l'opposition avaient été sauvagement tabassés par une bande organisée. Cette réapparition s'inscrit dans le cadre du congrès national du CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale) qui se tient à partir d'aujourd'hui à la villa Elisabeth à Ivandry. « La cérémonie d'ouverture de ce congrès national verra la présence des représentants des partis et organisations politiques, sauf le TIM, le MFM et le TEZA », a annoncé le sénateur Vaovao Benjamin. « Nous n'avons pas pris la peine d'inviter ces derniers car nous savons qu'ils ne vont pas venir y assister », s'est expliqué ce lieutenant du Pr Zafy Albert. En tout cas, on attend une résolution à l'issue de ce congrès national du CRN. La formation politique du Pr Zafy, connue pour son opposition farouche au régime de Ravalomanana, se contentera-t-elle encore une fois de communiqués interpellatifs ? Wait and see.




Vono moka
Tsy misy indra-fo, fa izay vandana dia kary. Fihetsika izay mahalasa saina ny maro ihany ny nahita azy tao ho ao, matin'ny balan'ny polisy hatrany ireo jiolahy mpandroba eto amin'ny tanàna.
Maro no faly amin'izany, satria mampitondra faisana ny ambany lanitra ny tonta kely, saingy hatraiza ny fanajana ny ain'olombelona ?
Ny fanoherana ny mpitandro ny filaminana manao ny fisamborana no fiarovan-tena entin'ireo mpitandro ny filaminana. Ahitana basy hatrany sy fitaovam-piadiana hafa hatrany ireo lavo. Rehefa manao ny fanadihadiana anefa dia mazàna no ninihana novoina ireny olona ireny. Toa zary vono moka no miseho ao anatin'ny fifanjevoana. Tsy hifanomezantsiny io, satria mafy ny vali-botana ataon'ny jiolahy. Ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny mpanao famotorana no tena ahitana ny valiny, indrindra fa ny fihavian'ireny basy miparitaka etsy sy eroa ireny. Izay no tena hilana ny sambo-belona ahafaha mahita ny ati-doha mikotrika.




Fifidianana sy ny AKFM
Aza beazina hangala-bato ny vahoaka
« Mila vaha-olana maika ny firenena. Aoka ny hery rehetra no hitambatra hanangana rafitra vaovao fa tsy vitan'ny fanjakana samy irery ny manarina ny tanindrazana ». Io no antso avo nataon'ny antoko Akfm omaly raha nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo.
Ny ahiahy maro apetraky ity antoko ity momba ny fifidianana, dia ny mety hisian'ny fivadihan'ny safidim-bahoaka. Toy izany ny fividianana ny mpifidy amin'ny vary 1 kilao. Ny fanjakana dia manambara fa tokony ho tezaina amin'ny fifidianana ny vahoaka. Marina io, saingy ny tsara dia tsy tezaina amin'ny hala-bato toy ny misy amin'izao fotoana. Mankalaza ny faha-50 taonany ity antoko ity, izay voalazany, fa tsy mivaona amin'ny fotokeviny ny antoko, ary miatrika ny taonjato faha-21, mba hanjakan'ny rariny sy ny hitsiny. Ny Akfm, dia nanamarika tamin'ny fanaparitahana vola nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza farany teo, fa raha nisy ireny nahoana no tsy nozaraina mialoha tamin'ny vahoaka sahirana. Toa endrika fisehoana ivelany fotsiny no misy ankehitriny, indrindra fa atomotra ny fifidianana. Ingahy Jaozandry sy Erick Rakotomanga mpitarika ity antoko ity no nanambara ireo.




Horonan-tsary Malagasy
Hitory ny mpamokatra ny mpilalao
Vita ny horonan-tsary, tsy nomena ny karama. Mitaraina ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy izay nivoaka tamin'ny fahitalavitra iray eto andrenivohitra, fa tsy nomena ny volan'izy ireo. Sarimihetsika mitondra ny lohateny « Parapaingo », izay nahitana mpilalao maromaro. Ny tapaky ny volana septembra no efa nisy ny fandrirarina nataon'ny mpamokatra itony filma Malagasy itony.
Nitohy ny volana oktobra sy novambra izany, ary hatramin'izao, dia niasa maina ireto olona ireto. Nisy ny fifanarahana mazava izay voarakitra an-taratasy, nefa tsy voahaja izy io hatramin'izao. Miandry valin-teny farany any amin'ny mpamokatra izay nampiasa azy ireto olona ireto, ka raha dila ny fe-potoana nomeny azy handoavana ny karamany, dia hampiakatra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana izy ireo.
Voalazan'ireto mpanao filma ireto, fa ny volana desambra teo, dia efa nivoaka an-gazety ity raharaha ity. Nisy noho io ny fandrahonana ho an'ireto mpilalao, izay nambara fa nanoso-potaka ny trano mpamokatra horonan-tsary. « Tsy handefitra manana ny rariny intsony izahay », hoy ireo tsy nahazo ny volany, « fa hampiakatra ny raharaha amin'ny sehatra ambony ». Dia ho gaga ve isika raha tsy mandroso ny horonan-tsary Malagasy ?




Fifanarahana miafina
Taitra tamin'ny torimasony ingahy Ratsiraka ka ny zaza nobeaziny no voakapoka. Fa inona no heloka vitan'ireto sahy mitsikera ny fianam-pirenena ankehitriny no ireo manaiky lembenana indray no nomeny rariny ? Gaga tamin'iny fihetsiky ny amiraly Ratsiraka iny ny maro, nandre ny filazany ny tsy fahafantarany an'i Pierre Houlder sy ny namany izay nikasa hanao ilay kongresy rahampitso eto Antananarivo. Fa angaha tsy mpanohitra ity antoko ity no dia nasiaka fatratra ny amiraly ? Sa lasa Arema matotra ? Ity fitondrana ity no nampandositra ny kapitenin-tsambo any ivelany, ary mbola tsy sahy miverina an-tanindrazana hatramin'izao. Io no hanaovan'ireto Arema sahy mijoro manankiana tsikera, nefa dia ireny no ren'ny sofin'ny maro.
Nahoana raha ny fiainam-pirenena ankehitriny no nokianina fa tsy ny olana ao anatin'ny antoko naorin'ny tena. Mahalasa saina ihany raha i Moïse Rakotosihanaka sy i Ange Andrianarisoa nimpirina tany amin'ny nisy azy no lasa olo-mahatoky ny amiraly. Sao kosa ary misy fifanarahana miafina mipetraka eo amin'ny mpitondra sy ireto farany, ka aleo mangina na manao toy ny ataon-dry Raharijaona Pierre sy ny tariny ? Tsy mahagaga raha mahazo vahana amin'ny sehatra rehetra ny mpitondra satria ireo izay natao mba hitsikera aza izao no ataon'izy mianakavy.




Profesora Zafy Albert
Mila miala ny mpitondra
"Ampy izay ny fahanginana. Tsy azo ekena intsony izao fahoriam-bahoaka izao, ary tsy maintsy miala ny fanjakana mpampahory vahoaka". Io no fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert raha nanokatra ny fivorian'ny CRN izy omaly.
"Na dia nangina aza ny tenako, dia ny antoko politika rehetra kosa tsy nitsahatra naneho ny heviny momba ny tsy fahombiazan'ny mpitondra ankehitriny. Eny fa na ireo namany ao amin'ny TIM aza dia ireny niarahana nahita ireny fa nivadika taminy. Fomba ahoana ny hanalana ny mpitondra ? Io no mety hipetraka ao antsain'ny rehetra, hoy i Zafy Albert, ary izay no anton'izao fivoriana ataonay izao".
Momba ny fifidianana izay atao tsy ho ela eto, dia nohamafisin'ny Profesora Zafy Albert, fa tsy handray anjara ny CRN ary tsy hampandray anjara ny vahoaka. Tsy misy afa-tsy ny TIM, hoy izy no manao fampielezan-kevitra etsy sy eroa. Ny tsy fandraisan'ny antoko politika anjara amin'ny fifidianana toy izao, dia tokony hampiheritreritra ny fanjakana. Anio hariva no hifarana ity hetsika ataon'ny CRN ity, ary mpitarika antoko politika maro no tonga niatrika ny fotoam-panokafana ny fivoriana teny Ivandry.




Fikambanana « Tanora Sahy »
Tsy maintsy hambara ny marina
Tsy hiemotra amin'ny filazana ny marina aho. Io no nambaran'ny Mamonjisoa zanaky ny filohan'ny fikambanana "Tanora sahy vonona", izay mpiara-miasa akaiky amin'ny olom-boafidy amin'ny andrim-panjakana iray.
"Naato tamin'ny asako rehefa tsy nitovy ny fomba fijery politika, ary potehina hatramin'ny fiainako manontolo", hoy ny filohan'ny FTS. Niainga tamin'ireny fifidianana izay ho ben'ny tanàna ireny ny raharaha, nanohana kandida hafa aho. Teraka avy hatrany ny disadisa satria lany ho ben'ny tanana teto an-drenivohitra ny kandida notohanako.
Ilay olomboafidy niara-niasa tamiko, hoy i Mamonjisoa, dia mpiara-miombon'antoka amiko amin'ny orinasa mpanafatra sy manondrana hazandrano mankany ivelany. Ny 60% ny vola miasa dia ahy. Tato afara dia nambara fa nivadim-pitokisana aho, ka tafakatra teny anivon'ny Polisy ny raharaha. Nanamafy ity filohan'ny FTS ity fa ny fitsikerana ny fomba fiasan'ny fitondrana ankehitriny no ao ambadiky izao fitoriana azy izao. Raha ny raharaham-pirenena dia isan'ny tsy zakan'io olom-boafidy io ny nilazany fa tsy misy vola ho enti-miasa ny MAP fa ny tamin'ny DSRP aza no betsaka. Fanampin'io ny momba ny filatsahan'ny toe-karena sy sosialy any amin'ny kizo. Ny fifidianana mandeha ila toy ny hita eto Antananarivo. "Tsy maintsy lazaiko ny marina, ary ho hita eo ny fiafaran'izao fifandirana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany izao".




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny Reny Malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Zoma 07 Martsa 2008 teo.
Ny razana dia hiala eny amin'ny tranony Cité Ambohipo logt. 38 ny Alatsinainy 10 Martsa 2008 amin'ny 01 ora , hatao veloma farany ao amin'ny Katedraly Analakely ary hapetraka eny amin'ny fasan-drazany eny Ambohijatovo Ambodivoanjo - Antananarivo.
Hoy ny zanany aman-jafiny
sy ny fianakaviana manontolo




Amin'ny Finoana sy ny Fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'i Ray hody any aminy ny Alakamisy 06 Marsa 2008 rehefa nivahiny 58 taona teto an-tany.
Hoy
Ny vadiny :
RAVONISON Brigitte (Teraka RAMAROSON)
Ny zanany :
RAMAHATSANGIARISOA Heritiana sy RAVONISON Verohanitra
RAVONISON Hantanirina sy ANDRIATSIMIJAY Fabien
RAVONISON Rivo Mbolatiana
Ny zafikeliny :
Noary, Mianoka
Ny rainy :
RAMINOSON
Ny rafozany :
RAZANANIVO Véronique
Ny iray tampo aminy :
RAMINOARISON Seth sy Roline sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTONDRAVONY Paul sy Mariette ary ny zanany
RAMAROSON René sy Berthine ary ny zanany
RAMANAMAHEFA Samuel sy Hanta ary ny zanany
RANDRIAMIALISON Maurice sy Nirina Florette ary ny zanany
ANDRIAMBOAVONJY Joseph sy Noro ary ny zanany
RAZAFINDRAZAKATSARA Nantenaina sy Voahirana ary ny zanany
RALISON Rémi sy Edwige ary ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RATEFIARISON Jean Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Terak'Itompokolahy RANOELISON Jean Christophe
RASOARINIVO Berthe Francine sy ny zanaka aman-jafiny
RAMILISON Robert sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOARISON Maurice sy ny zanaka aman-jafiny
RAONIZAFINIMANANA Rodolphe sy Béatrice ary ny zanany
RAMELIARISON Fulgence sy Suzane ary ny zanany
Ny fianakaviana manontolo
Ny FJKM Ambolo Vavolombelona
Ny FJKM Ambodivona Filadelfia
Ny Fikambanan'ny Zanaka Ampihelezana Ambolo (FIZAA)
Ny Fokotany Amboditsiry
Ny Fokotany Ambolo Talata-Volonondry
Ny KOFAM Ambolo.
Ny nofony dia mbola ao an-tokantranony Amboditsiry Lot II B 40 C ny Zoma 07 Marsa sy ny Sabotsy 08 Mars maraina , ary hoentina hiaretan-tory any antanindrazany Ambolo ny sabotsy tolakandro . Ary hiala ao an-tranony A mbolo ny Alahady 09 Marsa 2008 amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro , hoentina hanomezamboninahitra an'Andriamanitra sy atao veloma farany ao amin'ny FJKM Ambolo Vavolombelona alohan'ny hametrahana azy amin'ny Fasandrazany ao Ambolo ihany.
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ».
(II Tim 4 : 7)




Noravana ny federasion'ny baolina kitra
Rehefa tsy mahomby tsy maintsy ravana. Fanampahan-kevitra hentitra no noraisin'ny minisitry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana omaly tamin'ny fandravana federasiona roa dia ny baolina kitra sy ny taranja lomano.
Ho an'ny baolina kitra manokana, dia efa ela no nilana fanamboarana, saingy tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Resy lava, tsy misy fivoarana raha ity sehatra ity no jerena. « Fitiavana ny baolina kitra no ataoko, fa tsy fanimbana », hoy ny minisitra Ramiaramanana. Manao ahoana ny mety ho sazy hiandry antsika eo amin'ny FIFA ? « Anjarantsika no mampivoatra izany fa tsy azy », hoy ingahy minisitra. « Isika no mahafantatra ny olana mitranga eto ary tsy nisy ny fanampiana nentin'ireny ho an'ny baolina kitra Malagasy ». Rariny raha handraisana fepetra ny toa izao mba hampivoatra ity taranja ity. Nandraisana fepetra toy izao ihany koa ny teo amin'ny federasiona ny lomano. Izay misy lesoka ihany koa eo amin'io sehatra io.
Ireo taranja roa ireo ihany ve no tsy mahomby eto ? Toa zary lasa fialokalofana ny sehatra tahaka itony, ary iza no tsy mahafantatra fa ny toy izany no tsy mampahomby ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara. Sahia manao dingana lehibe mba ho anatra ho an'ny hafa ny toy izao.




Antoko Arema
Kongresy tsy nahafeno fepetra
« Kongresy tsy mahafeno fepetra ! Kongresy mitsipaka ny filoha mpanorina » Io no nambaran'ireo mpikatroka Arema teny amin'ny foiben-toerany vonjimaika eny Anosizato omaly alahady raha nihaona tamin'ny mpanao gazety izy ireo. « Mandainga ireo ninia nanao ny kongresy omaly », hoy ihany izy ireo. Tsy nanome tso-drano azy ny filoha Ratsiraka Didier ary efa nandre ny antson'ity filoha teo aloha ity ny rehetra nilaza fa tsy manao kongresy ny AREMA, ary mpisandoka izay manao izany.
Nohamafisin'atoa Ange Andrianarisoa sy atoa Simon Pierre fa tamin'ny taona 1997 no nisy kongresy nanendrena azy ho mpitarika. Anisan'ny voatendry ho sekretera nasionaly tamin'io atoa Rajaonarivelo Pierrot, saingy efa nametra-pialàna ny tenany.
Efa nisy ihany koa moa ny famitranam-pihavanana ka anisan'ny nanao sonia izany i Vaovao Benjamin sy i Pierre Houlder, saingy taorian'io dia nilaza atoa Pierre Houlder fa izy no voatendry ho sekretera nasionaly.
Manjavozavo izany ny mety hivitranan'ny fihavanan'ity antoko ity izay ahiana ho tafakatra hatreny amin'ny fitsarana mihitsy.
Marihana fa nanatanteraka ny fivoriany ny Arema tarihan'i Pierre Houlder omaly, tetsy amin'ny akany Lovasoa 67 ha, izay nambaran'atoa Ange Andrianarisoa fa trano an'ny zanak'i Ratsiraka Didier.




Fikambanana « Tanora Vonona Atsimondrano »
« Manan-kevitra matotra ny tanora »
Manan-kevitra matotra ny tanora hanarenana ny fiainan'ny malagasy ka ilaina ny fandraisan'izy ireo andraikitra. Nisongadina izany ny faran'ny herinandro teo, teny Amboanjobe, kaominina Bongatsara sy teny Antaninkatsaka-Itaosy, nandritra ny fampielezan-kevitra nataon'ny fikambanana « TVA » (Tanora Vonona Atsimondrano), izay tarihan'Atoa Razanantoanina Haja sy Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ben'ny tanànan'Ankaraobato.
Nambaran'Atoa Razanantoanina fa noho ny faha-tsapan'izy ireo fa misy toe-tsaina sy hevitra ary fomba fiasa tokony ovana eto amin'ny firenena no nahatonga ny TVA hirotsaka an-tsehatra amin'ity filan-kevi-paritra ity. Hita fa ohatry ny mikatona amin'ny tanora ny fitondrana ka tsy afa-mivelatra araka ny tokony ho izy. Nohamafisiny ihany fa tsy fanjakan'olon-tokana ny eto amintsika fa an'ny vahoaka ka noho izany rariny sy hitsiny raha ireo olona tena eo anivon'ny vahoaka no mirotsaka hiaro ny hetahetan'ny vahoaka . « Rehefa tsara ny mitarika dia manaraka ho azy ny vahoaka, rehefa tsapany ihany koa fa mahomby ny làlana hitarihana azy dia handihy tsy torahan-damba izy, ho teraka ho azy ny risi-po handray andraikitra izay tandrify azy », hoy ihany ny TVA.
Atoa Ralaiseheno Guy Maxime, izay tsy zoviana amin'ny maro eny Atsimondrano, indrindra ao anatin'ny kaominina Ankaraobato , dia nampahafantatra ny vahoaka ny andraikitry ny filan-kevi-paritra. Tamin'ireo toerana izay nanaovan'ny TVA ny fampielezan-kevitra ihany koa dia tsy nohadinoin'Atoa Ralaiseheno ny niantso ny vahoaka mba hamita ny adidy masina, ny alahady 16 marsa izao, satria izany no antoky ny fanovana tiana hatao.
Marihina fa mahatratra 261.000 ny mpifidy ao anatin'ny Distrikan'Atsimondrano, izay misy kaominina 26.




Antoko TIM
Miroso amin'ny fifanakalozan-kevitra
Tsy ny TIM no matahotra ady hevitra fa misy fotoana ny zava-drehetra. Fifanankalozan-kevitra amin'ny mpianatra, ny mpandraharaha sy ny vehivavy ary ny mpanao fanatanjahan-tena. Ireo no hita ho fihetsika nataon'ny antoko TIM nandritra izay fampielezan-kevitra izay. Midika fa vonona ny hifanakalo hevitra amin'ny hery rehetra ity antoko ity hoy ireo kandida raha niroso tamin'io fampielezan-kevitra io ry zareo ny faran'ny herinandro teo.
Tetsy amin'ny Galerie Kamoula Analakely ny sabotsy hariva teo, dia adi-hevitra momba ny fandraisana andraikitra ataon'ny vehivavy eo amin'ny fampandrosoana no natao teny. Ny Eja mpanoratra tononkalo, Mireille Ranaivo mpandraharaha, Mireille Rasolohery eo anivon'ny federasionan' ny kick Boxing, ary ny Rtoa depiote voafidy tao Manjakandriana, Hantasoa Lydia, ireo no niady hevitra momba ny andraikitra raisin'ny vehivavy eo amin'ny fampandrosoana. Samy nanamarika izy ireo fa mora maharesy lahatra ny vehivavy, ka rariny raha omena andraikitra eo amin'ny raharaham-pirenena. Ny tena andrasan'ny maro dia ny ady hevitra politika eo amin'ity antoko ity, ka asa na rahoviana no hisy an'izany ?




Amin'ny Finoana sy ny Fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
Dia nantsoin'i Ray hody any aminy, ny Alahady faha-09 Martsa 2008 teo amin'ny faha 72 taonany.
Hoy
Ny vadiny :
RASOAMANANA Martin
Ny zanany :
Martine sy Hery RASOAMANANA (Belgique)
Didie sy Zaka RASOAMANANA
Tahiana sy Tsiry RASOAMANANA
Ndimby RASOAMANANA
Solofo RASOAMANANA
Lalaina sy Naina RASOAMANANA
Noro sy Lala RAVELOJAONA
Nivo sy Jocelyn ANDRIAMIADANA
Rojo sy Fidy RASOAMANANA
Ny zafiny :
Zina, Tony (Belgique), Mirana, Rindra, Tiavina, Ony, Notahiana, Finaritra, Mianoka, sy Fianaritra, Nombana, Nasandratra, Mendrika, Hasina, Toky, Mirado, Narda, Sariaka, Sarobidy, Fifaliana, Fihobiana, Tamby.
Ny zafiafiny :
Amboara
Ny iray tampo aminy :
Ny terak'Itompokovavy RAHARINTSOA, Vololona sy ny zanaka aman-jafiny.
RAVONIARY Johnson Bakolisoa sy ny zanaka aman-jafiny.
RAJAONARIVELO Tsirimalala mivady sy ny zanaka aman-jafiny.
RAZAKA Andriamandimbisoa mivady sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Vady navelan'Itpkl RAVALOMANANA Alphonse sy ny zanaka aman-jafiny.
ANDRIANANTOANINA Sylvain mivady sy ny zanaka aman-jafiny.
Terak'Itpkl RASOAMANANA Alphonse sy ny zanaka aman-jafiny.
RANDRIANASOLO Alphonse sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fiangonana FJKM Fenoarivo, Ny vondrom-bavaka FPVM Betesda Ankaraobato, Ny zanaky ny FJKM any Europe, Ny MKMB Benelux Bruxelles, Ny Eglise Protestante Unie de Charleroi Bruxelles, Ny mpiara-miasa ao amin'ny Maison Médicale "La Brêche", ao amin'ny Centre de Soins pour Assuétude Le "Diapason" CHU Charleroi Bruxelles, Ny Zanaka am-pielezana FJKM Mahasolo, Ny fokontany Ambaniavaratra Ankadivory, Ny fokontany Andrefankady Ambonisaha, ary ireo Mpitsabo rehetra nikarakara azy fony fahavelony.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony, Lot FVK 6 Ankadivory Ambaniavaratra ny Alarobia faha-12 Martsa 2008 amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Fenoarivo alohan'ny hametrahana azy ao Fenoarivo ihany.
« Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Ny Zanaky ny mpanomponao handry fahizay, ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao ».
(Salamo 102 : 27-28)




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny Reny Malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Zoma 07 Martsa 2008 teo.
Ny razana dia hiala eny amin'ny tranony Cité Ambohipo logt. 38 ny Alatsinainy 10 Martsa 2008 amin'ny 01 ora , hatao veloma farany ao amin'ny Katedraly Analakely ary hapetraka eny amin'ny fasan-drazany eny Ambohijatovo Ambodivoanjo - Antananarivo.
Hoy ny zanany aman-jafiny
sy ny fianakaviana manontolo.




Fampihavanam-pirenena
Miha-mahazo vahana eo amin'ny fanehoan-kevitra politika eto amintsika indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Ny Monima, CRN, Arema, Akfm dia samy nanambara ireo avokoa. Hatreto dia tsy nipirina any ambata io fitakiana lasa nataon'ny hery politika maro samy hafa teto amin'ny firenena, dimy taona lasa.
Inona no sakana tsy ahatongavana amin'izany ? Raha vao niakatra teo amin'ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002 dia nanambara tany Antsiranana fa ilaina io . Velom-bolo ny rehetra. Taona 2008 isika izao, tanteraka ve ny fampihavanam-pirenena. Samy nanambara ny heviny ny rehetra, ary tsy vitsy ireo nahazo fahefana no nilaza fa tsy nisy ady teto ka inona no hampihavanina eo. Misy ny minia mikipy manoloana ireny faty olona nikararahana ireny raha nisy ny fampandrian-tany natao manerana ny faritany. 6 taona aty afara, mbola io iarahana mahita io ny fitakiana ataon'ny vondrona politika maro isan-karazany.
Nandritra ny fanehoan-kevitra politika ny faran'ny herinandro teo no nilazan'ny mpanao politika hafa fa matahotra ireo mpitondra teo aloha ny mpitondra ankehitriny, ka izay no antony tsy hirosony amin'ny fampihavanana eo amin'ny mpiray tanindrazana. Izay ve no tena marina ? Akoho tsy naneno tahaka izay hono lanin'ny kary.




Fandrombaham-pahefana
Fifidianana no fomba mahomby, hoy ny ALDR
« Sahia misedra safidim-bahoaka ». « Na vitsy aza ny toerana nandrotsahanay olona ho fidiana ho mpanolotsaim-paritra dia sahy hisedra ny safidim-bahoaka ny ALDR. Rafitra iray misy ny antoko MFM ny ALDR. Ny MFM dia efa ela no nitaky ny hipetrahan'ny faritra 28, saingy 22 no tafapetraka. Midika io fa tafita ny hevitry ny antoko, ary rariny izahay raha miroso amin'ny fampandehanana ny faritra ». Io no nambaran'i Rakotomamonjy Pierre, izay kandida milatsaka eny amin'ny faritra Atsimondrano.
Ny tena demokrasia dia ny fankatoavana ny safidim-bahoaka, fanjakana iaraha-mitondra, ary fanjakana ifampierana sy fitsinjaram-pahefana any amin'ny faritra. Nomen'izy ireo tsiny ny mpanohitra mitaky ny rafitra tetezamita ankehitriny. « Sahia aloha misedra safidim-bahoaka vao mitaky toerana ». Nohamafisin'ireto ALDR ireto fa fifanomezan-tànana no maika fa tsy fifanonganana.




Otrikafo
Mbola omena ny vahiny ve ny tany ?
Tsy ankasitrahan'ny « Otrikafo » tarihan'ingahy Rajaonah ny fanomezana tany ho an'ny vahiny. Manoloana ny fifanarahana ny hanomezana tany hambolen'ny vahiny vary sy voamaina any amin'iny tapany atsinanan'ny nosy iny nanehoan'ny Otriakfo ny heviny indray. Nahoana no mbola vahiny no omena sehatra hamokatra eto ? Firy ny Malagasy nangataka tany ho volena nefa toa voarirariana hatrany ? « Hita fa mbola miakin-doha amin'ny vahiny isika », hoy ny Otrikafo, « ka tsy azo ekena ny toy izao ». Io fiakinan-doha amin'ny vahiny io no mahatonga ity fikambanana ity hiomana handray ny fahefana.
Ny " Otrikafo " dia miaraka amin'ny vahoaka, ary « tsy mbola nisy fanjakana tafapetraka tamin'ny alalan'ny latsa-bato teto, fa nisy hatrany ny gidragidra », hoy ingahy Rajaonah. Midika io fa rehefa tonga izay fihetseha-bahoaka izay, dia tsy hiamboha adidy amin'ny vahoaka ny « Otrikafo ».




Manjavozavo ny marina
Tsy maintsy milamina ny tany. Fanamby goavana napetraky ny tompon'andraikitry ny filaminana io. Misy ny ezaka goavana ataon'izy ireo, ary ireny efa niarahana nahita ireny ny vokatra raha tsy hilaza afa-tsy ny olona mpanao ratsy voasambotra.
Ny resaka halatra taolam-paty dia maro ireo efa eo ampelan-tànana'ny mpitandro ny filaminana, ary tsy vitsy no efa any am-ponja.
Manjavozavo ihany anefa ny tena fahitana ny marina. Tsy mbola fantatra ny tena ati-doha mikotrika azy itony, na dia efa maro aza ireo voasambotra ireo ? Toy izany ny nipoiran'ireny fitaovam-piadiana tratra eny amin'ireo jiolahy isan-karazany. Sa basy vita gasy avokoa izy ireny. Ireo fitaovana mahery vaika aza voalaza fa efa voakiky ny marika ka tsy tena fantatra ny tena fiaviany.
Ho gaga ve isika raha mitombo andro aman'alina ny asan-jiolahy eto ? Tsy azo lavina fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro ny filaminana, fa ny tena tsara indrindra dia ny fahazoana ny tena ati-doha mikotrikaazy ireny. Rahoviana anefa ?




Aorian'ny 16 Martsa
Ady hevitra vaovao no hipetraka
Any amin'ny mpifidy ny baolina. Na ho toy inona ny fanazavan-kevitra entin'ny fanjakana sy ny kandida tohanany, ary toy izany ny mpanohitra, dia ny mpifidy no tompon'ny teny farany.
Hiainga ny alatsinainy ho avy izao ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Raha vitsy ny mpifidy handeha handatsa-bato, dia toa midika faharesena ho an'ny mpitondra io. Faheresena satria tsy maharesy lahatra ny olona ny tetika entiny hampandrosoana ny faritra. Miainga eny anivon'ny faritra anefa ny tetika hanarenana an'i Madagasikara.
Tsy azo sarotsaromana toy ny taloha ny isan'ny mpifidy ho avy, satria samy hanara-maso ny tena marina ny rehetra.
Raha maro ny mpifidy tsy hanary ny zony, dia taratry ny fampandrosoana avy hatrany kosa izay. Vonona ny vahoaka hifanome tanana amin'ny mpitondra. Ho gina eo ny vavan'ny mpanohitra. Izany hoe hisy ady hevitra goavana aorian'ny datin'ny fifidianana ny 16 Martsa izao. Ny angatahan'ny vahoaka, dia ny ahafantarana ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana marina. Misy hijerena ny isan'ny vahoaka nandeha nadatsa-bato io.
Tsy azo teriterena amin'ny safidiny ihany koa ny olona, fa dia ny fahaizan'ny rehetra mandresy lahatra amin'ny kabary tsara lahatra no hampazoto na tsia ny vahoaka.




Aoka tsy hihoam-pefy
Aoka hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy tokony ho entanim-po isika rehetra manoloana ny fifidianana izay hatrehana ny alahady ho avy izao. Fifidianana izay hitarafana ny fahombiazan'ny mpitantana isan'isany.
Samy manao izay ho afany ny rehetra, satria manana andraikitra goavana amin'io ny sehatra maro, izay miainga any amin'ny sefom-pokontany, miakatra any amin'ny ben'ny tanàna, ary tonga hatrany amin'ny lehiben'ny faritra. Aoka tsy hihoam-pefy hoy ny mpitazana, ka mba hiavaka tsara ny asan'ny fanjakana sy ny an'ny antoko. Misy ny matahotra ny voahaisotra amin'ny toerany, ka manao ny tsy fanao. Tsy ho tanisaina eto ireny, fa ny rehetra dia efa mahatsapa ny olom-panjakana mampihatra ny fahefana eo ampelan-tanany.
Ny teritery atao amin'ny vahoaka no maha-kely ny risim-po andehany handatsa-bato. Vanim-potoana heverina ny hametrahana ny mangarahara izao, ka tsy ilaina ny mbola hiverenan'ny tsindry hazo lena atao amin'ny vahoaka isaky ny faritra. Fampielezan-kevitra no atao, ary zon'ny rehetra ny mitaona ny olona tsy hifidy, fa tsy sanatria rahonana amin'ny fisamborana izay manao izany. Sa efa lalim-paka ao amintsika ny fisamborana ny mpiray tanindrazana ?




Vokatry ny fitanana ody gasy
Nodorany ny fananany an-tapitrisa
Loza no nafitsok'ity raim-pianakaviana iray tany amin'ny tanànan' Andafialava, kaominina Ambinany-Andravory, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Nodorany ny tranony niaraka tamin'ny entam-barotra rehetra tao anatiny ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanao izany ny fokonolona.
Tamin'ny alatsinainy lasa teo, tamin'ny 8 ora maraina tany ho any no nitrangan'ity habibiana ity. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr'izany no nahatonga azy handoro ny fananany. Toa hoe navadiky ny mpimasiny izy ka niafara tamin'izao fandravàna fananana izao. Naka solitany ny lehilahy ary tamin'ny fotoana tsy naha-tao an-trano ny vady aman-janany no nandoroany ny trano. Niezaka namono ny afo ny fokonolona saingy nosakanan'ilay lehilahy tamin'ny fomba rehetra. Kila forehitra ny fananany izay vao navelany namono afo ny olona. Soa ihany aloha fa mba tsy nihitatra nankany amin'ny tranon'olon-kafa teo akaikiny ity afo niniana natao ity. Araka ny fantatra, dia manodidina ny Ar. 10 tapitrisa any ho any ny teti-bidin'ireo entana lasa lavenona tao amin'ity trano fivarotana enta-madinika tany Ambinany-Andravory-Vohémar ity. Ankoatra ny entam-barotra mantsy dia kilan'ny afo tsy nisy azo noraisina ihany koa ny fanaka rehetra tao an-trano.
Ilay ramatoa vadiny moa dia namantana trano sy fananana lasa lavenona. Nanjavona tao anatin'ny fotoana fohy ny harena nisasarana nandritra ny taona maro. Tsy fantatra aloha izay mbola hataon'ity vehivavy tompon'ny fananana may ity na hametraka fitoriana na hijanona amin'izao fotsiny. Ny vady andefimandriny ihany mantsy no nahavanon-doza ary fananan'izy ireo ikambanana no lasibatra.
Hafa indray ity ! Ny olona mikatsaka fatratra mba hahasoa ny ao an-tokantrano sy hampitombo harena, ny an'ity lehilahy ity ny eo am-pelatanana indray no noravana tamin'ny afo.
Izany tokoa ve ny vokatry ny filalaovana ody tafahoatra ! Asa aloha !




Faritra Analamanga
Izay miasa no ampiana
Kaominina Talata Volonondry sy distrikan'ny Vakin'i Mananara. Ireo no toerana notsidihan'ny lehiben'ny faritra Analamanga, Ratsimbazafy Fidy, ny talata lasa teo. Teo aloha ny fihaonana voalohany tamin'ny mponina, hatramin'ny nandraisany ny toerany, fa teo ihany koa ny fanolorana fanampiana ireto traboina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza farany teo sy ireo vahoaka sahirana.
Ankoatry ny fanomezana avy amin'ny filoham-pirenena sy ny Faritra moa, dia nisy ihany ny tolotra avy amin'ny ministeran'ny Fahasalamana, ny Foibe misahana ny fanjarian-tsakafo, ny PSI, ny Filankevitra miady amin'ny fihanaky ny Vih-Sida ary ny Birao nasionaly mpandrindra ny loza voajanahary.
Efa nisy ny fanampiana tany amin'ny lafiny Vakiniadiana, ny distrika Ankazobe, Andramasina, Atsimondrano, ary mbola ho avy ny anjaran'ny distrika Anjorobe sy Ambohidratrimo.
Noararaotina, nandritra ny fitsidihana, ny fanentanana ny vahoaka andeha hifidy ny mpikambana ao amin'ny filankevi-paritra ny alahady izao. « Zava-dehibe io satria izay olom-boafidy eo no hiara-hiasa amin'ny lehiben'ny Faritra. Izy ireo no handany ny lalàna entina hampandrosoana ny distrika mandrafitra ny Faritra, izany hoe hamaritra ny filàn'ny tsirairay ka hifandraika amin'ny zava-misy ny tetikady ampiasaina ». Samy nanambara izany avokoa moa na ny lehiben'ny distrika Avaradrano sy Manjakandriana, na ny solom-bavambahoaka voafidy tany an-toerana.




Fampielezan-kevitra
Manomboka liana ny olona
Tsy rototra nefa manongilan-tsofina. Io no hita amin'ny fampielezan-kevitra eto amin'ny tanàna. Asa na leon'ny fampanantenana isan-karazany fanaon'ny kandida ny vahoaka no tsy maha-rototra azy manatrika ny propagandy, ka zary mangadihady hatrany ny famoriam-bahoaka ataon'ny kandidà.
Ny hita anefa dia liana amin'ny tena andraikitry ny mpanolon-tsaim-paritra ny maro. Hita io amin'ny resaka eny an-tsena rehetra eny. Manomboka mifantoka any amin'ny fifidianana amin'ny alahady ihany koa ny rehetra. Andraikitra iray tsy azo sarahina amin'ny faritra ny asan'ny mpanolotsaina. Isan'ny fifidianana manakaiky ny vahoaka no atrehana amin'ny alahady, ka rariny raha manomboka misento aminy ny mponina. Ho an'ny antoko mandray anjara amin'io toy ny TIM dia miroso amin'ny ady hevitra amin'ny ambaratonga samihafa. Isan'io ny mpianatra, ny vehivavy, ny mpandraharaha, ary ny tanora mpanao fanatanjahan-tena.
Tetika iray afahana mifampikasoka amin'ny vahoaka ny toy izao hoy ireo kandida samihafa ao amin'i TIM. Tsy takona afenina koa anefa ny tanjon'ireo kandida ivelan'ny TIM izay toa miara-dia amin'ity antoko ity ihany na dia mitondra anarana hafa aza. Dia samy mahay manentana izy ireo saingy tsy voatety ny faritra rehetra, fa zara raha nahita malalaka kely nanentanana ny mpifidy.




Ny vadiny :
Atoa RASOAMANANA Martin
Ny zanany : Martine sy Hery RASOAMANANA mianadahy avy sy ny zanany
Ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho etoana ny fisaorana sy fankatelemana antsika rehetra, izay nidodododo nampahery sy nampionona ary nitrotro amim-bavaka azy ireo noho ny nahalasanan'ny hava-malalany :
Isaorana manokana etoana ny Ray aman-dreny :
Lala RASENDRAHASINA mivady, Filohan'ny FJKM, sy ny Birao Foibe
Ny Loholona Atoa RAKOTOMANANA Honoré mivady,
Ireo namana sy tapaka ao amin'ny INSPC ex-Ecole de Médecine Befelatanana sy ny Mpiara-mianatra tany Bruxelles/Belgique.
Ny Filoha sy ny Fokontany Ambaniaravatra Ankadivory Fenoarivo,
Ny Fiangonana FJKM Fenoarivo,
Ny vondrom-bavaka FPVM Betesda Ankaraobato.




Tsy mihena fa mitombo
Vidian-dafo ny ady amin'ny fahafinaretana. Aretina tsy ahitam-panafana hatramin'izao ny SIDA nefa mbola maro no be andrakandrana. Asa na ny filan'ny nofo no mahery, fa mbola maro ny roboka tsy ampiheverena na dia efa maro aza ny fanentanana natao hiadiana amin'io aretina io.
Raha ady no atrehina dia mitobaka ny vola. Isan'io ny ady amin'ny SIDA. Vita ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny firenena matanjaka. Mirohotra miditra antsehatra ny fikambanana isan-karazany. Mipoapoaka ny dokam-barotra milaza ny tokony hampiasana kapaoty, inona anefa ny vokatra azo ? Mitombo ny salan'isa ho an'ireo olona mitondra ny otrik'aretina amin'isika manoratra izao. Mikaroka ny fanefitry ny SIDA ny manampahaizana, fa mbola ambatobevohoka aloha hatreto.
Raha ny eto Madagasikara manokana, dia saika ny rendrarendra eo amin'ny isam-batan'olona no mampihanaka azy io. Tafiditra eto ny kolontsaina vahiny, ary samy mandray ny tandrify azy ny rehetra. Tsy hilaza izahay hoe vokatry ny fahantrana no antony mampihanaka ity aretina ity, fa ao kosa ny filana ny filiban'ny nofo. Ny fitiavana miaraka amin'ny vahiny izay mazana maha-roboka ny gasy mazàna no hiavian'ny loza. Inona ary no fepetra haingana tokony ho raisintsika manoloana izany ? Ny fomba fitaizaina ny tanora ve sa ny fitondrana azy ahalala an'Andriamanitra no vaha-olana ? Toa efa samy nanandrana izany ireo ray aman-dreny, kanefa tsy nihena fa mitombo ny voan'ny SIDA. Hatreto dia tsy mahasahana ny fiparitahan'ny aretina ny volabe natobaka teto, ary na ilay fimailo aza toa tsy nahitam-bokany firy, matoa mbola miakatra ny tahan'ny olona mitondra ity aretina ity. Ny fanafody tsara indrindra, dia ny samia mailo, fa tsy hananampiry ny aina.




Fanamparam-pahefana
Tsindry hazo lena ?
Aza manao kely tsy mba mamindro. Endrika iray hisehoan'ny fanaparam-pahefana isaky ny faritra io mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Tsy misy izay tsy mitaraina ny kandida isan-karazany manoloana ny fihetsiky ireo olona nomena fahefana amin'ny faritra sasany. Ny kandida eny Avaradrano, dia nanamafy io, izay milaza fa nangataka kianja malalaka hanaovana ny fampilezan-kevitra saingy narirarira hatramin'ny farany, ka naleony nitety isam-baravarana. Ny Tanoran' Atsimondrano Vonona raha nitafa tamin'ny mpanao gazety dia nanamafy io teritery atao amin'ny kandida io. « Voateritery tanteraka izahay, kanefa tsy izany no sakana tsy ahafahanay mirotsaka ho fidiana amin'ny alahady izao », hoy TVA, « ary tsy avela hanjakan'antoko tokana ny tanàna ».
Ny kandida tany Sambava dia nitsoaka andaharana mihitsy no hetraketraky ny hafa. Ny fanaterana bileta any amin'ny faritra samy hafa dia nahitana olana avokoa.
Hametraka fitarainana eo anatrehan'izao tsy fisian'ny fahalalahana izao izay ho ireto kandida ireto, ary miandry ny sazy ho an'ireo manao tsindry hazo lena amin'ny fanamparam-pahefana.




« Pont flottant » Tanambao Nosibe
Lasa toerana fihariana
Tsy ny rano intsony no misondrotra fa ny tetezana mitsingevana (pont flottant) no milentika. Izay no zava-mitranga ao Tanambao Nosibe,amin'ny làlam-pirenena faha 5, raha ny fahitana azy ny andron'ny alakamisy faha 13 martsa lasa teo.
Satria nisy ny manao ankasomparana, mangalatra na manao fanahy iniana manaisotra ny ampahany amin'ny sila maha tetezana mitsingevana ilay tetezana. Satria misy ny mihevitra fa ny fitohanana vokatr'izay trangan-javatra izay no mampidi-bola ho entina mihary. Satria mety ho fotoana kely sisa no ahafahana manararaotra ny fisian'io tetezana io noho ny teny nataon'ny filoham-pirenena, raha nandalo tamin'io toerana io ny tenany, taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza « Ivan », ka nilazany fa iny andro iny no farany nandehanana io tetezana mitsingevana io, fa ho soloina tetezana vato.
Ar. 3 000 hatramin'ny 4 000 ny manosika fiara
Izany rehetra izany no mety niteraka izao filentehan'ity tetezana ity izao, fa zary toa fitadiavan'ny mponina manodidina azy ny trangan-javatra.
Vola avokoa vao afaka miampita ny fiara : 3 000 Ar ka hatramin'ny 4 000 Ar ny manosika fiara salantsalany iray. Ny fiara madinika moa tsy azo atao ny mampiampita azy raha tiana tsy ho simba sy potika vokatry ny ahavon'ny rano misondrotra izay tsy maintsy ho tafiditra anaty fiara. Maro ny trano kely fivarotana zava-pisotro isan-karazany toa ny betsa, labiera, toaka, kafe sy dité miampy ny tsakitsaky isan-karazany, miorina tampoka etsy sy eroa. Mivoaka miandry karama eo amin'io toerana io ny ankamaroan'ny zatovo monina sy mipetraka eny manodidina eny.
Toa lasa toeram-pihariana ny fahasimban'ilay tetezana mitsingevana manapaka ny reniranon'Ifontsy ao Tanambao Nosibe ankehitriny.




Fifidianana
« Aza terena ny vahoaka », hoy i Moxe
Hifidy sa hitokona ny vahoaka ? Io fanontaniana io no mampisavoritaka ny maro, indrindra fa ny mpanao politika. Misy ny tahotra eo amin'ny tompon'andraikitra samy hafa raha toa ka vitsy ny manefa ny adidiny rahampitso. Mety hiteraka olana eo amin'ny asany izany, hoy ny mpitazana, satria tsy nahay nandresy lahatra ny mpifidy ny tao amin'ny faritra iadidiany.
Ny Teza, tarihan'ingahy Moxe Ramandimbilahatra, dia nanamafy omaly fa zon'ny tsirairay ny mifidy, ary zony feno ho an'ny vahoaka ny tsy mifidy. Tsy hifanerena io. Andraikitra feno ho an'ny filohan'ny birao fandatsaham-bato no miantoka ny filaminana eo amin'ny birao izay hiadidiany. Tsy azon'ny mpitandro ny filaminana atao ny mitsofoka any anaty birao fandatsaham-bato. Tokony samy handray ny andraikiny mifanaraka amin'ny lalàna velona ny rehetra.
Mila migadra Ratsiraka
Momba ny fangatahan'ny maro ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena kosa dia nanamafy i Moxe fa izay nahavita heloka mila migadra. « Modia ianao Ratsiraka fa miandry anao ny fonja ». Efa namoaka didy momba azy ny fitsarana ka rariny raha manefa ny saziny izy. Rehefa vita ny gadrany dia afaka miverina madiodio eny anivon'ny fiaraha-monina izy. Tsy mankasitraka ny fampihavanam-pirenena ity mpanolontsaina politikan'ny filohan'ny Repoblika ity. Ny antony dia satria maro loatra ireo fananana potika teto.




Matsilo
Nalevina ny CRTIM
« Tonga ny fotoana hivoahanay amin'ny fahanginana. Tsy avelanay handalo ny tantara. » Andro maro izay no tafajoro ny MATSILO, fikambanana izay niainga tao amin'ny CRTIM teo aloha.
Niova endrika sy famindra izy ireo ankehitriny, satria tsy nankatoavin'ny ambaratongam-pitondrana tao amin'ny fanjakana ny soson-kevitra nentin'izy ireo. Fanatsarana an'i Madagasikara anefa no notadiavina. « Hiatrika fifidianana isika ankehitriny, zon'ny tsirairay ny hifidy, na tsy hifidy. Ambara ho tany mandala ny demokrasia isika ka tsy mila teriterena ny olona ».
Ny zava-misy eto dia izay tsy mitovy fomba fijery amin'ny mpitondra fanjakana dia kilasiana ho mpanohitra. Tsy olana amin'ny MATSILO izany fa ny tanjona dia ny hampivoarana haingana ny fiainam-pirenena. Isan'ny tanjon'ity fikambanana ity ny fampivoarana sy fampiofanana ny mpiray tanindrazana. « Tsy mialonjafy izahay, hoy ny loholona Jean Clément, ary malalaka ny fidiran'ny antoko rehetra ao ».
Momba ny fampihavanam-pirenena takian'ny CRN kosa indray, dia mandinika ny MATSILO, ary rehefa hita fa hahasoa ny firenena, inona no sakana tsy hirosoana amin'izany ? Vonona ny hifanakalo hevitra ity fikambanana vao nijoro ity.




Solika mandoro
Manankarena ny firenena, roso ny fitrandrahana. Faly sahirana ny maro raha nandre fa manomboka mioty ny vokatry ny fitrandrahana ny solika ao Tsimiroro isika. 46 barila isan'andro no vokatra azo amin'izao fanombohana izao, ary andrasana hananika ny 100 barila isan'andro atsy ho atsy.
Sahiran-tsaina ihany anefa ny maro raha mahita ny zava-doza mitranga any amin'ireo firenena mpamokatra azy ity. Hita io toy ny atsy Iran sy Iraka izay nifamono nandritra ny taona maro, ary mbola mizaka ny vokatry ny ady hatramin'izao. Nidiran'ny Amerikana indray ny tatsy Iraka, ary mandriaka ny rà saika isan'andro vaky. Na ho toy inona ny endriky ny fanambarana fa mampandry tany ny firenena matanjaka, dia tsy azo lavina ny fisian'io solika any an-toerana io. Ny atsy Koweit, dia niarahana nahita ny fibodoana nataon'ny firenena mpifanolo-vodirindrina taminy, ary nisian'ny fifandonana mahery vaika ihany koa tao amin'io tany io. Ny atsy Nigeria, dia mikorontana lava. Fifandonana matetim-pihavy. Miditra amin'ny raharahan-tokatranony ny firenena vahiny. Mbola heverin'ny maro fa ny solika ao aminy no fositra izao rehetra izao. Dia ahoana ny eto amintsika ? Isika omem-pahasoavana indray ve no handa izany ?
Iarahana mahatsiaro fa maro ny mpanao politika no nilaza ny heviny momba ity fitrandrahana harena ankibon'ny tany toy ny solika ity. Tsy handamina io, hoy ny hafa fa hifamonoana. Hifandrirotra am-pitoerana eto isika.
Maneho hevitra ny mpanao politika isan-karazany, vao nipoitra ny resaka solika ao Tsimiroro. Fifandrifian-javatra no ilazana izany, satria isika malagasy dia malaza ho mpandala ny fihavanana. Ny andrasan'ny rehetra dia mba tsy ho tompony mangataka ny atiny lava izao ny vahoaka malagasy, fa mba ahazo tombony, fa tsy ny vahiny no ahazo sehatra lava izao. Tsy ho solika handoro ny firenena, fa hanome aina vao ny toe-karena malagasy.




Ny vadiny :
Atoa RASOAMANANA Martin
Ny zanany : Martine sy Hery RASOAMANANA mianadahy avy sy ny zanany
Ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho etoana ny fisaorana sy fankatelemana antsika rehetra, izay nidodododo nampahery sy nampionona ary nitrotro amim-bavaka azy ireo noho ny nahalasanan'ny hava-malalany :
Isaorana manokana etoana ny Ray aman-dreny :
Lala RASENDRAHASINA mivady, Filohan'ny FJKM, sy ny Birao Foibe
Ny Loholona Atoa RAKOTOMANANA Honoré mivady,
Ireo namana sy tapaka ao amin'ny INSPC ex-Ecole de Médecine Befelatanana sy ny Mpiara-mianatra tany Bruxelles/Belgique.
Ny Filoha sy ny Fokontany Ambaniaravatra Ankadivory Fenoarivo,
Ny Fiangonana FJKM Fenoarivo,
Ny vondrom-bavaka FPVM Betesda Ankaraobato.




Hazakazaka arahin-tosika
Efa raikitra sahady ny fampielezan-kevitra ho amin'ny toeran'ny antenimieran-doholona. Raha mbola tsy nanomboka akory ny fifidianana ho izay mpanolon-tsaim-paritra omaly, dia ny faran'ny herinandro teo no hita fa miroso amin'ny propagandy izay ho loholona ny mpanao politika sasany.
Teny amin'ny trano fanaovana lanonana iray etsy Ambohitradimo no nilazan'ireo ben'ny tanàna mivondrona ao Marovatana fa hanohana an'ingahy Rajemison Rakotomaharo izy ireo ? Fifanohanana tsy maninona, fa angaha tsy azo natao raha mba niandry ity fifidianana omaly ity vao mba naneho ny heviny ireto ben'ny tanàna ireto ? Sa apetraka mialoha ny toerana sao misy misosoka ?
Tsy ho gaga isika raha maivana ny fampielezan-kevitra tamin'ny farany teo, satria tsy dia ilay kandida milatsaka loatra no tena nimasoan'ny hafa ho lany, fa ny fampisongadinana ny tenany no tanjona. Hazakazaka arahin-tosika tanteraka ny eto amintsika, ka raha diso fiainga, dia tavela, ary ny toy izao dia azo hitarafana, fa na hisy indray aza ny sivana toy ny mahazatra eo amin'ny antoko matanjaka, dia ny hafa kosa tsy miandry izany fa avy dia vavany.




Tontolo iainana * PGDRN
Hitombo ny faritra arovana
Natao teny amin'ny NLIM Iavoloha nanomboka tamin'ny faha 12 martsa hatramin'ny faha 14 martsa ny atrik'asa momba ny « Programme de gestion durable des ressources naturelles », na PGDRN. Ny firenena Alemana, amin'ny alàlan'ny GTZ sy ny KFW no nanolotra ity programa ity. Manomboka amin'ity taona ity, hatramin'ny taona 2011 no ampiharana ny tetik'asa izay vatsiana vola 12 tapitrisa Euros.
Ny tanjona amin'ity dia ny hampihenàna ny fitrandrahana ala, indrindra ireo atao arina fandrehitra. Faritra telo no miandry vokatra amin'ity tetik'asa andiany faharoa ity, dia ny faritra Boeny, Diana, ary atsimo Andrefana. Olona miisa 200 avy amin'ny fikambanana miisa 10 no hahazo fiofanana voalohany, ka ny fampiasana fatana manara-penitra no hianarana amin'izany. Anisan'ny paik'ady amin'izany koa ny fambolena hazo, ary io ihany no ampiasaina, mba tsy hikitihana ny ala efa teo aloha. Hitombo arak'izany ny faritra arovana. Voakasik'ity resaka ity ny minisiteran'ny Angovo, sy ny minisiteran'ny Fizahan-tany, ary ny minisiteran'ny Tontolo iainana, izay nampiantrano ny atrik'asa rahateo.
Nanakatona ny atrik'asa tamin'ny fomba ofisialy, ny zoma teo ny minisitry ny Tontolo iainana Randriarimanana Harisson, sy ny tompon'andraikitra avy amin'ny GTZ sy ny KFW.




Fokontany Anosibe andrefana II
Tsy nisy naka ny kara-pifidianana
Tsy nihoatra ny 5 % ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tamin'ireo biraom-pifidianana tao amin'ny EPP Anosizato, omaly hatramin'ny 12 ora antoandro. Nisokatra tamin'ny 7 ora maraina ny birao fandatsaham-bato , ary nanomboka teo dia zara raha nisy olona iray isaky ny fahefatr'adiny. Tao amin'ny biraom-pifidianana laharana faha 002 ohatra dia 5 %, tamin'ny 11 ora teo ho eo, tao amin'ny laharana faha 3 dia 3% ary ny birao faha 4 dia 4%. Torak'izany koa ny tao amin'ny birao laharana faha 20 izay nahitana mpifidy miisa 2000 mahery, saingy 180 ihany no tonga hatramin'ny mitataovovonana.
Tsy taitra ny olona
« Nanao ezaka izahay », hoy ny sefo fokontany Anosibe andrefana faharoa, atoa René. Nanentana ny olona isam-baravarana, sady nizara kara-pifidianana, saingy mbola betsaka ireo tsy nahazo ny kara-pifidianana vaovao. Tsy tratra an-trano ny mponina, izay voamarika fa mpivarotra avokoa. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny fifidianana mihitsy no tsy nahataitra ny olona. Ireo mpandatsa-bato sasany aza dia tsy mahalala akory ny anton'ny fifidianana, hany ka natao ny adidy, dia nariana ao anaty trano fisainana ny vato.
Hevitra
« Tsy aleo ve notendrena ihany ny olona tiana ho fidiana eto », hoy kosa ny mpifidy sasany. Misy moa ny sahy milaza fa nahazo fandrahonana ka nandeha nandatsa-bato tsy fidiny.




Ny vadiny :
Atoa RASOAMANANA Martin
Ny zanany : Martine sy Hery RASOAMANANA mianadahy avy sy ny zanany
Ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho etoana ny fisaorana sy fankatelemana antsika rehetra, izay nidodododo nampahery sy nampionona ary nitrotro amim-bavaka azy ireo noho ny nahalasanan'ny hava-malalany :
Isaorana manokana etoana ny Ray aman-dreny :
Lala RASENDRAHASINA mivady, Filohan'ny FJKM, sy ny Birao Foibe
Ny Loholona Atoa RAKOTOMANANA Honoré mivady,
Ireo namana sy tapaka ao amin'ny INSPC ex-Ecole de Médecine Befelatanana sy ny Mpiara-mianatra tany Bruxelles/Belgique.
Ny Filoha sy ny Fokontany Ambaniaravatra Ankadivory Fenoarivo,
Ny Fiangonana FJKM Fenoarivo,
Ny vondrom-bavaka FPVM Betesda Ankaraobato.




« Tanjozotran'ny vehivavy ho an'ny fandriampahalemana » (Caravane des femmes pour la paix)
« Fanafoanana ny herisetra eo amin'ny vehivavy sy ny ankizy »
Notontosaina tao amin'ny Katedraly FJKM Analakely ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny « Tanjozotran'ny vehivavy ho an'ny fandriampahalemana » « Caravane des Femmes pour la Paix » Rehefa avy nitety firenena maro ary nandalo tao Mozambique ny hetsika dia anjaran'i Madagasikara indray nanomboka omaly ka haharitra folo andro ny mandray ny Fanilo. Mandritra izay folo andro izay dia hetsika maro no hotanterahina eto Madagasikara ary eto Antananarivo sy Tsiroanomandidy raha ny marimarina kokoa. Fiangonana sy vondrona ara-piangonana maro manerantany izay mitambatra ao anatin'ny fikambanana CEVAA izay misy ny fiangonana FJKM no mikarakara ity « Tanjozotran'ny Vehivavy ho amin'ny Fandriampahalemana » ity. Ho an'i Madagasikara dia ny « Fanafoanana ny herisetra eo amin'ny vehivavy sy ny ankizy » no loha-hevitra vohizina mandritra ny hetsika rehetra. Fotoam-pivavahana nandraisan'ireo vondrom-behivavy ao anatin'ny fiangonana samihafa no nentina nanokafana izany hetsika izany omaly tolak'andro.
Nandritra ny laha-teny sy famakiana ireo andàlan-tsoratra masina no ahatarafana ny fanomezan-danja ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny fikatsahana hatrany ny fiadanana miainga ao an-tokatrano ka mipaka eny amin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny izay mitarika ho amin'ny Fandriampahalemana. « Fanaka voafidy hitondra fandriampahalemana ny vehivavy » izany no lahateny novoaboasin'ny Mpitandrina Rasendrahasina Zoé.
Tonga eto Madagasikara ny Mpitandrina roa vavy avy ao Mozambika, Felicidad Cherinda (filoha Nasionalm'ny fikambamam-behivavy ao Mozambika) sy Santa Maria Timbana Matias izay firenena avy nandray ny tanjozotra alohan'ny nahatongavany eto Madagasikara.
Vehivavy sambatra...
Nisolotena ny Minisitry ny Fiarovampirenena, Ramatoa Manorohanta Cécile, ny vadin'ny Lehiben'ny Etamazaoro Jeneralin'ny Tafika Malagasy, Ramatoa Razafindralambo Simone avy amim'ny fitondram-panjakana izay namariparitra fa anisan'ny sambatra ny vehivavy malagasy mbola afaka manatontosa hetsika toy izao satria betsaka ny ezaka efa vita na dia mbola maro aza ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy eto Madagasikara.
Ny filohan'ny FJKM, ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala, no nanolotra ny loka ho an-Andriamatoa Razafindramboa Bruno izay nahazo ny loka voalohany tamin'ny famoronana ny hira fanevan'ity « Tanjozotran'ny Vehivavy ho amin'ny fandriampahalemana » izay tontosaina eto amintsika ity.
Maro ny hetsika izay tanterahina eto mandritra izay folo andro andalovan'ny « Tanjozotran'ny Vehivavy ho amin'ny Fandriampahalemama » izay ka isan'izany ohatra ny hetsika lehibe atao eo amin'ny Esplanade Analakely ny Talata sy Alarobia izao, izay ahitana varotra fampisehoana, lapihazoa fitoriana ny filazantsara sy fanentanana ary seho an-tsehatra maro samihafa. Ny harivan'ny Alarobia dia hisy fanehoana fitafy mendrika ataon'ny vehivavy ao amin'ny Tranompokonolona Analakely. Ny alakamisy sy Zoma dia hitohy any Tsiroanomandidy ny hetsika. Mbola hisy ny fotoam-pivavahana izay atao any amin'ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka ny zoma izao ary ao amin'ny « Paroisse Internationale » ny andron'ny Paska. Ny Talata heriny no hanaovana ny tomban'ezaka ary aorian'izay dia hitodidoha hody any aminy ireo solotena avy any Mozambika ary ny Alarobia ihany dia hiainga ho any Maorisy izay toerana handray ny fanilo ny solontena malagasy. Marihina fa dimanjato andro no faharetan'ity « Tanjozotran'ny Vehivavy ho amin'ny Fandriampahalemana » ity ka raha natomboka tany Maroc ka namakivaky firenena am-polony maro hatrany Nouvelle Calédonie dia vinavinaina hofaranan'ny Neuchatel Suisse izay misy ny foiben'ny CEVAA amin'ny volana Oktobra.
Nangonin'i Felana




Fanondranana biby an-tsokosoko
Sazy 2 taona hatramin'ny 10 taona no miandry ilay mpandraharaha
Kesika miisa 3 nisy biby naondrana an-tsokosoko no niainga teto Madagasikara, ary sarona tao Afrika atsimo tamin'ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azon'ny minisiteran'ny rano sy ala dia ompiana ao amin'ny valanjavaboahary iraisam-pirenena ao Johanesbourg ireo biby sisa velona tamin'ireto naondrana an-tsokosoko ireto. Tao amin'ny seranam-piaramanidina any an-toerana no nahasaronana ny entana. Kesika miisa 3 no nisy ireo biby, namofona maimbo be ka voatery nosokafana. Biby toy ny tanalahy, androngo, bibilava sy karazany samihafa miisa 1594 no voaondrana tamin'ity, ka ny 700 tamin'ireo sisa no velona. Tamin'ny voalohan'ny volana martsa no efa niainga teto ireo biby ireo, ary tsy voasahan'ny tompony ny fikarakarana sy fanomezana sakafo azy ireo. Araka ny nambaran'ny minisitra Randriarimanana Harisson dia mpandraharaha manana fahazoan-dalana avy amin'ny minisitera no tompon'ireo biby ireo. Efa nanondrana izy tamin'ny faha 19 janoary teo, ary naverina taty an-toerana rehefa tonga tao Johanesbourg, ka ny 13 sisa no velona. Ny taratasy nampiasaina tamin'ity voalohany ity no nisandohana nanondranana ny andiany faharoa. Mitovy tsy misy valaka ny antontan'isa sy ny lanjan'ny entana. Nandray fepetra ny minisitera ka hanohy ny fanadihadiana. Sazy 2 taona hatramin'ny 10 taona no miandry ity mpandraharaha ity, miampy lamandy ar 100 tapitrisa hatramin'ny ar 200 tapitrisa.
Handray fepetra manokana ihany koa ny minisitera, mahakasika ny fanondranana biby sy zava-maniry avy eto Madagasikara.




BNGRC
Nanome vola ar 100 tapitrisa ny « Groupe Sipromad »
Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an'ny traboina etsy amin'ny biraon'ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin'izany ka voatsinjara avy amin'ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian'ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an'ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan'ny loza voajanahary, dia ny « Fondation AKBARALY » no mpiahy eo amin'ny lafiny fambolena, fahasalamana, fanabeazana, fanatanjehantena sy ny sisa. Nahatsapa ny mpanolotra fanomezana fa betsaka kokoa ny fahavoazana amin'ny faritra samihafa tamin'ity farany ity. Tsy hitsahatra hanampy toyizay efa nataony hatramin'izay ity fikambanana ity. Nandray ny fanomezana kosa ny kolonely Jean Rakotomalala, sekretera nasionaly miandraikitra ny BNGRC.




Razakarimanana Ferdinand
Aza laniana andro ny vahoaka
Apetraho mazava ny tena andraikitry ny fokonolona hampandrosoany ny faritra misy azy. Hatreto dia tsy hita taratra io, ka tsy ho gaga isika raha malaina mifidy ny vahoaka.
Aza laniana andro amin'io ny olona fa ny asa mivaingana no handrasan'ny vahoaka. « Mahagaga ihany, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand no nanafoanana ny faritany mizaka tena, nefa ao anatin'io ny resaka faritra. Fokonolona no fototry ny fampandrosoana, ary ilay fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana no maika. Tsy nilana fanentanana ny olona tsy handeha handrotsa-bato, nefa dia ireny iarahana mahita ireny ny havitsiany. Mbola hitompo teny fatratra ho mamim-bahoaka ve ity fitondrana ity » ?




Miteny ny hitan'ny maso
Vita iny ny dingana voalohany amin'ny fametrahana ny faritra tamin'ity taona ity. Nahay naka lesona avokoa ny rehetra, satria hita fototra izao, fa tsy naharesy lahatra ny maro ny dingana natao.
Tsy hametraka isika fa ny fametrahana ny faritra no tsy tian'ny olona, fa misy sehatra tokony halalahana bebe kokoa afahan'ny rehetra mifanakalo hevitra ao. Ny antoko nifaninana vitsy, ary nanaraka izany ny tsy dia faharisihan'ny maro, nefa mbola nanjaka tamin'ny faritra maro ny vato fotsy. Tsy hifanilihana ny andraikitra fa tompon'antoka tanteraka amin'iny isika mianakavy. Raha vitsy ny mpandatsa-bato, midika ve io fa tsy hifanome tanana amin'ny asa eny anivon'ny faritra ny vahoaka ? Tsia no mety ho valiny, izay miankina betsaka amin'ny fahaizan'ny olom-boafidy mandresy lahatra ny vahoaka isam-paritra no miteraka risim-po ho an'ny mponina. Manana izay fahaiza-manao izay ve anefa ireo olom-boafidy farany teo ?
Hatreto aloha dia mila mahay mampita ny resaka serasera satria io no hany làlana afahana miara-mirona amin'ny tanjona tiana hapetraka momba ny asa tiana hajoro.
Tsy hianona fotsiny amin'ny tarehi-mariky ny mpandatsa-bato farany teo isika, satria miteny ho azy ny hitan'ny maso na maro na vitsy ireo nanefa ny adidiny. Sa efa mahazatra ny mahita vahoaka vitsy mifidy, nefa hambara ho marobe hatrany ?




Bruno Rakotoarison du CNOE
« La régionalisation est mal partie »
En attendant la conférence de presse que le KMF/CNOE tiendra vendredi prochain, son secrétaire général, Bruno Rakotoarison, a accepté de livrer ses réactions par rapport aux régionales du 16 mars dernier. Interview.
* Madagascar Tribune : Monsieur le SG, votre réaction par rapport au taux de participation au scrutin du 16 mars dernier ?
Bruno Rakotoarison : Pour moi, la mise en place des régions devrait obtenir l'adhésion massive de la population car c'est la première fois que cette collectivité décentralisée existe à Madagascar. C'est une grande première. Donc, un taux de participation de 40% ou de 50% ne suffit pas pour ce début.
* Pour vous, la démocratie a-t-elle regné lors de ce scrutin ?
On dit toujours que la démocratie existe à Madagascar. D'ailleurs, il y a plusieurs paramètres permettant de constater ou de ne pas constater la réalité. Moi personnellement, j'ai constaté que le choix des électeurs était limité lors de ce scrutin, bien que chacun soit libre. Et ce surtout dans les circonscriptions où le TIM a fait cavalier seul.
* A partir du résultat encore non officiel de l'élection du 16 mars dernier, êtes-vous optimiste pour l'avenir de la régionalisation à Madagascar ?
Non. Le nombre très limité des conseillers régionaux par région constitue déjà un handicap. Comment peut-on imaginer que quatre ou cinq conseillers régionaux peuvent décider pour le développement d'une région qui comprend quatre ou cinq districts ? Par ailleurs, il n'y aura pas des vrais débats au sein des conseils régionaux où le TIM dominera jusqu'à 98% de ses membres. Je réitere que la régionalisation est mal partie.
Recueilli par RAJAOFERA Eugène




« Ento miakatra ity solika ity »
Niakatra indray e. Ny inona ? Na efa mamokatra solika aza isika tsy maintsy manaraka ny tsena iraisam-pirenena, ny sondro-bidy any amin'ny vahoaka.
Tsy ny fiakaran'ny vidin'ny solika omaly alina no nahataitra ny maro, fa ny mety ho fiantraikany any amin'ny fiainana andavan'andro. Mahatratra 160 ariary ny sondro-bidy hita teo amin'ny lasantsy tsotra sy ny misy firaka, raha 190 ariary kosa teo amin'ny Gas Oil. Ny fiara lehibe mpitatitra olona sy entana no tena niantraikan'ny sondro-bidy betsaka tamin'ity indray mitoraka ity. Mazava fa hisy fiantraikany any amin'ny tontolom-piainana isan-tokantrano io.
Mahatratra 110 dolara ny barila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, andro maro lasa izay, ary raha ny fantatra dia mbola hisy fiakarany io ny volana jiona izao. Ny volana Janoary 2008 no nahitana fiakarana farany, ary dia io iarahana mahita io indray ny fiakarany omaly.
Manomboka ny fitrandrahana solika eto Madagasikara, izay 65 barila isan'andro aloha hatreto ny vokatra miakatra. Ho ezahina hatratra 100 barila isan'andro io atsy ho atsy.
Afaka mamaha olana eto amin'ny tanàna ve ny fahazoana io solika any Tsimiroro io, sa tsy maintsy ampanarahana ny tsena iraisam-pirenena ny vidiny ? Mino ny rehetra fa tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy, fa hatreto aloha ny rivotra hiainana, dia mbola ilay fomba fiteny hatramin'izay hoe « ento miakatra ity solika ity » no hita.


