Ambohipo
Zotra 156 nifaoka fiara efatra sy nandratra mpandeha 6
Nifaoka fiara efatra vao nivadika ity fiara fitateram-bahoaka zotra 156 nidiran-doza tetsy Ambohipo omaly maraina. Vao tafainga kelikely tetsy Ambohipo, hamonjy fidinana ity fiara ity dia efa nandona fiara Peugeot 309 iray. Nikasoka fiara roa hafa izy ary efa saika nifanehitra tamina fiara Express iray hiakatra ho any Ambohipo, vao nivadika.
Mpandeha enina, izay vehivavy avokoa, no naratra vokatr'izany. « Mety ho fikorompahan'ny mpamily no nahatonga ny loza, satria tsy misy kihanina raha ny lafiny ara-teknikan'ity fiara ity », hoy ny lehiben'ny koperativa Gio Trans misy ity zotra ity.




Mandiniha tena
Dia nanizingizina andriamatoa minisitry ny fanatanjahatena fa tsy miraharaha izany sazin&#039;ny Fifa izany.
Dia tena mahagaga raha ministra no minia manitsakitsaka ny lalana iraisam-pirenena tahaka izany. Andeha atao hoe tsy mahagaga satria ny ny ben'ny tanana voafidy aza ahitana hevitra hanalana na hanagadrana azy koa mainka ve fa izay filohana federasiona.
Fanesorana ankitsirano tsotra izao rehefa nolazaina fa tomponandraikitra tamin'ny fandrobana teny Mahamasina tamin'ny 3 marsa. Raha ny zava-niseho teny dia mitovy tsy misy hafa amin'ny nanjo ireo mpanohitra nanao fihetsiketsehina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 18 desambra 2005.
Andian'olona efa voamana no nandrava sy namono ireo mpanohitra ary ireo miaramila dia nijery fotsiny. Tsy nisy fisamborana na famotorana hatramin' izao. Andian'olona ihany koa no namono sy nandoro fananan'olona teny Mahamasina ary nitazam-potsiny ireo mpitandro filaminana teo am-boalohany. Mampieritreritra.
Efa voamana ny fanesorana an'ingahy Ahmad, izay tsy ampy fahamailoana. Halako bika tsy tiako tarehy ka na inona na inona ho vokany dia izay no izy. Fanjakana tsy nahavita n'inona n'inona ho an'ny baolina kitra ve no milaza fa tsy nisy ny vokatra?
Fa mba inona no ezaka nataony sy hataony? Tsy manana drafitr'asa akory ingahy ministra fa dia hoe ravao aloha dia ho hita eo. Mahakivy ireo manam-piniavana sy milofo amin'ny fampandosoana ny fanatanjahatena izao zava-miseho izao.
Aiza koa Rafanja tsy manome na ilavoamena indray no lavalela. Tena mba tsy rariny.
Razafindrakitra




Ampahibe
May ny akanin'ny «Chapelle militaire»
Potiky ny afo ny akanin'ny «chapelle militaire» eny Ampahibe. Tsy hay izay fototry ny afo fa trano foana tsy nisy olona no nidedaka tao. Efa mandeha ny famotorana.
Potiky ny afo hatrany amin'ny 70 % any, omaly, ny akanin'ny «chapelle militaire» eny Ampahibe. Lasa lavenona avokoa na ny gorodona na ny valin-drihana, indrindra fa ny tao amin'ny rihana voalohany amin'iny ilany atsinanana iny, sy ny tao amin'ny farany ambony izay fametrahan'ny sokoto ao amin' ity fiangonana ity ny entany.
Efitra iray tao amin'ny rihana voalohany sy efitra roa tao ambany rihana sisa no niangana. Ary dia tapitra may tao avokoa, araka izany, ny entana rehetra tamin'ireo efitra may nodedahan'ny afo ireo.
«Tokony ho tany amin' ny 7 ora sy sasany maraina tany, ny afo no nanomboka. Tsy fantatra izay antony fa ny olona teny ivelany sy ireo miaramila mipetraka eo amin' ny manodidina no nahita azy nidonaka sy namoaka lelafo. Ary ireo no namonjy sy niantso ny mpamonjy voina», hoy ny pastora Rakotozafy Michael, miandraikitra ny fitaizam-panahy ao amin'ny miaramila ary miasa ao amin'ity «chapelle militaire» ity.
Miaramila roa, iray mbola mpitovo ary iray efa manambady aman-janaka, no mipetraka, miambina sy mikarakara ity faritra ity, raha ny fanazavan'ity pastora ity. Samy tsy nisy tao an-trano anefa izy rehetra ireo tamin'io fotoana io. «Ilay miaramila tsotra mbola mpitovo nandeha nivoaka tany ivelany, ilay miaramila sy ny vady aman-janany kosa efa samy lasa nivoaka daholo», hoy izy.
Nikiry nanavotra
«Efa tany am-piasana aho no nantsoina. Ka tsy nisy fantatro ny fiantombohan'ny afo. Ny vadiko ihany koa efa lasa niasa, ny mpiasa tao an-trano lasa nanatitra mpianatra», hoy Randrianato Haja, vadin'ilay miaramila mipetraka ao an-toerana. Ny azy ireo moa saika avotra avokoa ny entany noho ny rindrina «béton1» nanasaraka ny efitra. Fa ny an'ilay miaramila tsotra mbola mpitovo no tsy nisy niangana. Tapitra may avokoa na ny fitafiany na ny kojakoja momba azy.
Raha ny zava-nisy teny an-toerana dia avy tao aminy ny afo no niainga. Saingy tsy fantatra mazava izay antony nahatonga izany.
Ity miaramila tsotra ity moa dia voalaza fa naratra, noho ny fikirizany saika hiditra an-keriny tao anaty trano hanavotra ny fanana-keliny. Voatery nentina tany amin' ny hopitaly notsaboina izy.
Tonga teny an-toerana nijery ny voina ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, ny jeneraly Rabemananjara Charles, ny filohan' ny antenimieran-doholona, Rajemison Rakotomaharo, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Manorohanta Cécile, ary ny ben'ny tanànan'Antananarivo, Andry Rajoelina.





Fandriampahalemana
Mihetsika ny vady miaramila
Fikambanam-behivavy maro avy amin'ny firenena sy ny fiangonana samihafa no indray mivory manatanteraka ny hetsika «tanjozotran'ny vehivavy ho an'ny fandriampahalemana» eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, izay nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alahady teo teny amin'ny katedraly Analakely. Anisany mandray anjara amin'izany ny vady miaramila.
Ho an'i Madagasikara manokana dia naompana amin'ny «fanafoanana ny herisetra eo amin'ny vehivavy sy ny ankizy» no lohahevitra hodinihina mandritra ity fivoriana ity. Maro, araka izany, ny hetsika hotanterahina hanamarihana izany, izay haharitra hatramin'ny 10 andro eo.
Ny vadin'ny lehiben'ny etamazaoro jeneralin'ny tafika malagasy, Razafindralambo Simone, no nisolo tena ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Manorohanta Cécile, sy ny fitondram-panjakana tamin'ny lanonam-panokafana. Nosoritany tamin'izany ny andraikitra makadiry tanan'ny vehivavy amin'ny fikatsahana ny fiadanana manomboka ao an-tokantranony ka hatrany ivelany amin'ny manodidina azy. «Vonona handray andraikitra tanteraka ny vady miaramila hanamafy orina ny ady atao amin'ny famongorana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny
ankizy. Ka hiara-hientana amin'ny fikambanam-behivavy miankina amin'ny fiangonana», hoy izy.
Firenena maro manerana izao tontolo izao moa no indray manatanteraka an' ity hetsika tanjozotran'ny vehivavy ho an'ny fandriampahalemana ity. Misy ny fanilo ifampitàna ka aorian'i Madagasiraka dia ny nosy Maorisy indray no handray azy.





Asan-jiolahy
Voaheloka mandrapahafatiny indray i Tsimibosy
Nohelohin'ny fitsarana heloka bevava teny Anosy higadra mandrapahafatiny indray, omaly i Tsimibosy. Nisokatra, omaly mantsy ny fitsarana heloka bevava amin'ity taom-piasana 2008 ity. Ny raharahan'i Tsimibosy, araka izany, no nisantatra azy tao amin'ny efitrano fahadimy.
Efa maromaro ihany izay sazy famonjana mandrapahafaty azon'i Tsimibosy izay, raha ny tamin'iny taon-dasa iny. Ary dia izao vao niampy iray izao indray.
Fanafihana tokantranon'olona iray teny Ambatobe, ny 19 desambra 2004, no nitsarana azy tamin'ity. Ny tompon-trano no notafihany tao. Ary ireo mpiambina roalahy niandry ny tanàna tsy navelany hihetsika fa nofatorany. Dia novakiany ny trano ary norobainy tao ny zavatr'olona.
Raha ny voatanisa tao amin'ny fitsarana dia lelavola mitentina any amin'ny 160 tapitrisa ariary sy vola vaginy 12 tapitrisa euros no indray lasan-dry Tsimibosy sy ny namany tamin'io fanafihana io, ankoatra ny firavaka sarobidy.
Nandà ny fiampangàna azy moa ny anao lahy teo amin'ny fanadihadian'ny mpitsara azy. Nihazona azy kosa ny teo amin'ny Fampanoavana ambony.




Ambohitrimanjaka
Lahy antitra kila forehitra
Kila forehitra tao an-tranony, teny Ambohinaorina Ambohitrimanjaka, ny alin'ny zoma teo, ity lahy antitra iray manodidina ny 75 taona. Niezaka namonjy azy ihany ny fokonolona teo amin'ny manodidina, raha nahita ny tranony nirehitra. Saingy tsy nisy azo natao satria poa toy izay ny fihitaran'ny afo nandevona ilay trano nipetrahany.
Mipetra-drery izy, raha ny vaovao azo teo anivon' ny zandarimariam-pirenena.
Raha ny tombatomban'ny manodidina dia ny afon-dabozia nampiasainy nanazavana ny tranony no nitarika ny loza. Teo akaikin'ny fandriany no fametrahany azy. Mety ho nianjera io ary tonga dia nandoro ny kidoro natoriany. Nihitatra izany ka nanenika ny trano iray manontolo.
Ny zandary teny an-toerana moa no tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana.




Ankatso
Raim-pianakaviana maty voatifitra
Raim-pianakaviana iray, manodidina ny 40 taona eo, no maty nisy nitifitra teny Antsahamamy amin'iny faritr'Ankatso iny, omaly alina. Teo amin'ny tratrany nanandrify ny fony mihitsy no niantefan'ny bala.
Noho ny hafenoan-drano moa dia sarotra ihany ny naka ny vaovao teo anivon' ireo fianakaviany. Na izany aza anefa, dia re, araka ny fanazavan'ny sasany tamin'izy ireo, fa nisy nanafika tao an-tranony izy. Notafihana andian-jiolahy teo amin'ny efatra teo. Saingy tsy fantatra marina izay tena zava-niseho tao. Tsy hay ihany koa izay teti-bidin'ny entana sy zavatra very lasan' ireo jiolahy.
Dimy mianaka, niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany telo, no tao an-trano tamin'io fotoana io. Ireo vady aman-janany anefa tsy nisy naninona fa izy irery ihany no niharam-boina, voan'ny balan'ireo jiolahy.
Eny anivon'ireo mpitandro ny filaminana moa hatramin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia tsy mbola misy fitarainana mipetraka avy amin'ny fianakavian'ity raim-pianakaviana ity hatramin'izao. «Na izany aza anefa dia efa tonga tany an-toerana nanao ny fitsirihana ihany ny polisy avy ao amin'ny sampana heloka bevava. Saingy tsy afaka mihetsika izahay raha tsy misy fitoriana mipetraka», hoy ny fanazavan' ny tompon'andraikitra iray.




Nanisana
Nirehitra ny fako
Niantsoana ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalana, omaly, ny fako nirehitra tao anaty dabam-pako teny Nanisana, tsy lavitra ny toeram-ponenan'ny masoivohon'i Sina miasa eto amintsika. Sady nidonaka be no efa namoaka lelafo ireo fako tao anatiny. Hany ka mailo ny manodidina ka niantso haingana ny mpamonjy voina namono azy.




Régionales
Fanjava Velogno battue dans la région de Sofia
L'association Fanjava Velogno risque de perdre la bataille dans la région de Sofia. Selon les résultats provisoires incomplets des élections de conseillers régionaux, la formation échoue dans six districts sur sept dans la région de Sofia. Alors qu'aux élections communales du 12 décembre, Fanjava Velogno a été en première position devant le Tiako i Madagasikara (TIM) en nombre de maires élus.
Fanjava Velogno fait donc exception dans la circonscription du député Rémi dit Jao Jean à Antsohihy. Le ministère de l'Intérieur et de la réforme administrative (MIRA) enregistre jusqu'à maintenant les résultats dans 83,01 % des bureaux de vote du district.
Le candidat de Fanjava Velogno, Manambina, mène le score avec 59,64% des voix. Le porte-fanion du TIM, Raholiarimalala Miadana Rasoloarivony, est à la deuxième place en obtenant 40,36 % des suffrages exprimés.
Dans la circonscription de la fondatrice de Fanjava Velogno, le député Zalifa Bente Salim d'Analalava, Modeste Tongalaza de Fanjava Velogno n'obtient jusqu'à maintenant que 36,91 % contre 63,09 % pour Gilbert Maharavo du TIM. Résultats dans 90 bureaux de vote sur 172.
A Befandriana Nord, l'écart des voix obtenues par le candidat de Fanjava Velogno et celui du TIM est assez large dans les 124 bureaux de vote sur 214. 70,41% en faveur de Renand du TIM et 29,59% pour Paul Bert de Fanjava Velogno.




Ambondrona
Nohafahan'ny fitsarana ireo voampanga
Roa lahy mpivarotra vato no voampanga ho nanafika hotely teny Ambondrona sy nandroba ny vahiny tao aminy. Nohafahan'ny Fitsarana heloka bevava izy ireo.
Nohafahan'ny Fitsarana heloka bevava avokoa, omaly, ireo roa lahy voampanga ho nanafika an'ilay hotely sy ireo vahiny tao aminy teny Ambondrona, ny asabotsy 10 febroary 2007 alina.
«Tsy marim-pototra ny fiampangana azy ireo, satria olona teo am-pialàna voly no nosamborin'ny polisy», hoy ny mpisolo vava azy. Nosoritany tamin'izany fa resaka tondrotondron'olona fotsiny no nahavoasaringotra ny olona arovany, fa tsy misy na dia porofo iray aza nahafahana nanamarina ny fanenjehana azy roa lahy.
Nanampy izany ihany koa ny teo amin'ny Fampanoavana ambony raha nanipika tamin'ny taky nataony, fa misalasala ny tenany eo amin'ny fanenjehana azy roa lahy voampanga. Ka izao nomen'ny Fitsarana heloka bevava fahafahana izao izy roa lahy.
Mpivarotra vato, raha ny fanazavan'ireto voampanga no asany. Sendra mba nandeha niala voly namonjy lanonana teny Analakely izy ireo tamin'io fotoana io, no nisy nanondro ho tompon'antoka tamin' ilay fanafihana hotely. Dia izay no nisamboran'ny polisy azy.
Mazava, araka izany, fa nandà ny fiampangàna azy izy roa lahy, ary samy nilaza fa tsy mahafantatra na inona na inona momba izay zava-niseho tao amin'ilay hotely na dia kely aza.
Marihina fa nisandoka ho polisy ireo roa lahy nanafika an'ity hotely ity tamin'io fotoana io. Hisava ny hotely noho izy ity mampiditra zaza tsy ampy taona ao aminy, no nolazain'izy ireo. Nefa rehefa tafiditra izy dia ny nandroba no nataony. Vola malagasy sy vola vahiny maro niaraka tamin' ny fitaovana fakan-tsary, an'ireo vahinin'ny hotely moa no indray very tamin'io fotoana io.




Amboanjobe
Sady nanolana no nandroba ireo jiolahy
Tovovavy kely telo (17, 16 ary 14 taona) no indray nanaovan'ireo jiolahy mpanafika herisetra mahatsiravina, teny Amboara Amboanjobe, omaly alina. Nosoritan'ireto zaza fa izy telo kely ireo, niaraka tamin' ny mpanampy lahikely iray, no niandry trano tamin' io fotoana io. Ny olon-dehibe tao an-trano lasa niandry faty noho ny fahoriana nisy tamin'ny fianakaviana. Taorian'ny fandrobana no nametavetany azy.
«Jiolahy be dia be mihitsy, nisy teo amin'ny 11 lahy teo no indray tafiditra tato an-trano. Raha ny fahafantaranay azy anefa dia nisy hafa ihany koa tany ivelan' ny trano satria rehefa mamoaka entana ireo tato an-trano dia misy mpandray azy any an-tokotany», hoy ireto niharam-boina. Basy iray sy antsy no nentin'izy ireo ary nisy lehilahy iray tamin'izy ireo no voalaza fa mpibaiko sy mpanome toro-marika ireo namany. Niseho endrika daholo fa tsy nisy nisaron-tava na dia iray aza ireo jiolahy. Raha ny fanazavan'ireto ankizy niharam-boina dia nisy nanome vaovao sy nitari-dalana ireo jiolahy ireo satria na ny tranon'olona eo akaikin'izy ireo aza fantany hatramin'ny lokony. Ny andro anefa alina tsy hahafantarana izany.




Fianarantsoa
Olona 5 maty nihinana trondro maina
Olona 5 no indray namoy ny ainy vokatry ny fihinanana trondro maina tany Lalangina Sahambavy any amin'iny faritr'i Fianarantsoa iny, ny alahady sy alatsinainy teo. Trondro maina (trondron-dranomasina), antsoina hoe geba, novidiana tao an-toerana no nahavoa azy ireo, raha ny fanazavana azo.
Olona 21 izy no indray narary tamin'ny fihinanana an'ity trondro maina ity. Voatery naiditra hopitaly mihitsy izy ireo. Saingy ny 5 tsy tana ny ainy. 16 izy izany sisa no manaraka fitsaboana ao Tambohobe Fianarantsoa amin'izao fotoana izao.
Nandoa sy nivalana avokoa ary nalemy ny fisehon'ny aretina teo amin' ireto tratry ny poizina ireto.
Raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana, dia tsy ilay trondro loatra no nisy poizina. Saingy teo amin'ny fitehirizana azy izay naharitra fotoana ela sy tamin'ny toerana tsy dia tsara loatra no nahatonga ny poizina nisy tao aminy.
Manoloana ity tarehin-javatra ity dia tsy niandriandry ny lehiben'ny faritra any Matsiatra Ambony fa nandray fepatra ka noraràna aloha ny fivarotana sy ny fihinanana trondro maina any amin'iny faritra iny, mandra-pisian'ny vahaolana.
Fantatra mantsy fa efa nakàna santionany ary nalefa notiliana aty Antananarivo ireo trondro maina nahitan' ny mponina loza ireo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsiroanomandidy - Dahalo telo matin'ny zandary. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny dahalo ny fanarahan-dia omby very tany Fierenana Tsiroanomandidy, ny 14 marsa teo. Dahalo 3 no indray maty tamin'izany rehefa nifandona tamin'ny zandary.
Vohémar. -Jiolahy matin'ny fokonolona. Tsy namelan'ny fokonolona tao Anjana, ao amin'ny kaominin'Ambinany Andravory any amin'iny faritr'i Vohémar iny, raha tsy maty ilay jiolahy iray tratran'izy ireo teo
am-panendahana ankizikely handeha hody.
Nangonin'i




Fisolokiana
Kolonely sy sivily roa notanana am-ponja
Manamboninahitra iray miasa eny anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika sy olona roa no notanana am-ponja. Voarohirohy tamin'ny fampiasan-karatra.
Fisolokiana, fikasan-kanao asa fisolokiana ary fisandohana andraikitra. Ireo no fiampangana ka nahatonga ny fihazonana am-ponja vonjimaika an' ireto telolahy saron'ny zandary teto an-drenivohitra, afak'omaly.
Manamboninahitra avy ao amin'ny tafika malagasy ary miasa sy anisan'ny tompon'andraikitra ara-miaramila eny anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika ny iray amin'izy ireo. Olon-tsotra avy ety ivelany kosa ny roalahy.
Ny alatsinainy teo izy ireo no natolotra ny lehiben' ny Fampanoavana teo Anosy. Nitohy izany ny talata ary taorian'izay no nandefasana azy ireo eny am-ponjan' Antanimora.
Raha ny fantatra dia ny karatra manokana mahamatihanina ampiasain'ireo mpiasa eny anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika no nentina ka nampiasain'ireto olona ireto. Izany hoe navoakan' ilay manamboninahitra avy tao amin'ny toeram-piasany ary nomeny an'ireo sivily roalahy. Dia izay no nentin' izy ireo nanaovana asa fisolokiana tetsy sy teroa sy fampitahorana olona.
Teny anivon'ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa teny no voalaza fa nentin'ireto roalahy nomena ny karatra nanararaotana izany. Toy ny teny amin'ny sampan-draharahan'ny fananan-tany, ny minisiteran'ny Rano sy ala... hatramin'ireo mpandraharaha vahiny monina eto Madagasikara. Tsikilovin'izy ireo amin'izany izay olona manana olana amin'ireo sampan-draharaha ireo ka asainy mandoa vola be aminy hanaronana na hamoahana ny raharaha.
Raharahan-kazo sarobidy nitranga tany amin'ny faritr'i Sava, ny volana febroary teo, no voalaza fa nampipongatra ny raharahan'izy telolahy ireto. Mailo mantsy ilay mpandraharaha mpitrandraka hazo sarobidy, satria lelavola amina miliara ariary no notakian'ireto olona ireto taminy.
Lasa avy hatrany izy nanao ny fanamarinana tany anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika. Dia nipoitra teo ny tetika maizina nokotrehin'izy ireto. Ary izay no nampipoitra sy nampiakatra ny raharaha.
Any am-ponja izany izy ireo amin'izao fotoana izao, miandry ny fitsarana azy.




Ivohibe
Zandary iray maty notifirin'ny dahalo
Banga iray indray ny zandarimariam-pirenena miantsoroka ny asany any ambanivohitra any. Zandary prinsipaly kilasy faharoa, GP2 Randrianaivo Maminirina, indray mantsy no maty voatifitry ny dahalo tany amin'ny faritr'Ivohibe. Ny alatsinainy 17 marsa teo, tao Tambohobe, no niseho izany.
Rakotry ny balan'ireo dahalo tokoa ity zandary ity, raha ny vaovao azo. Satria tifitra vary raraka no nitsena ireto zandary raha vantany vao nifanehatra tamin'ireo dahalo izy ireo. Mbola mpitovo, ary tanora dia tanora, 26 taona, ity zandary namoy ny ainy ity. Ankoatra azy dia nisy vatan-dehilahy efatra tamin'ireo fokonolona niara-dia tamin'ireto mpitandro ny filaminana ihany koa naratra voan'ny balan'ireo dahalo. Ny iray tamin'izy ireo no tena voa mafy, ka araka ny vaovao azo farany dia namoy ny ainy ihany koa.
Afa-nitsoaka ihany anefa ireo dahalo, ka nilaozany teo ireo omby 28 nangalariny. Noroahina namonjy ny biraon'ny zandary ireto biby vao naverina tamin'ny tompony.




Zava-kanto
Namoaka raki-kira ny tarika Telofangady
Gasikara II, io no lohatenin'ny raki-kira andiany faharoa navoakan'ny tarika Telofangady. Hira folo no ao anatiny, izay miventy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanandratana ny mahamalagasy. Ao koa ny fandokoana ny manodidina.
Na eo amin'ny fitaovana ampiasaina, toy ny valiha, na eo amin' ny bàn-kira dia nohazonin'ny tarika hatrany izany. Araka izay nampiavaka sy nanavanana azy. Nefa, na dia izany aza, noho ny endriky ny fivoarana sy ny fanotontoloana dia noezahin'izy ireo ny nampifangaro izany amin' ny fitaovana misy ankehitriny, mba hahaliana hatrany an'ireo mpankafy.
Tsy eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ihany, no fanta-daza ny tarika Telofangady fa hatrany ivelany koa. Efa maro ireo firenena nanaovany fampisehoana tany
ivelany, toy ny tany Frantsa, Alemaina, Korea...




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Herisetra - Raim-pianakaviana voatsatok'antsy. Naratra mafy tokoa ity raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona notsatohan'ny zanany ny antsy teto an-drenivohitra, omaly maraina. Avy tao amin'ny lamosiny mantsy ilay antsy no niantefa ka nahavoakasika ny havokavony.
Ambohimangakely - Zazalahy roa dobo tanaty lava-pofotra. Fatin'ankizilahikely roa no indray hitan'ny fokonolona tao anaty lava-pofotra teny Ambohimangakely, afak'omaly. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Voalaza fa zanak'olona eny amin'iny faritra iny ihany izy ireto.
Marovoay - Volam-panjakana 10 tapitrisa ariary navoaka an-tsokosoko. Any amin'ny fonjan'i Mahajanga amin'izao fotoana izao ilay lehilahy namily volam-panjakana mitentina 10 tapitrisa ariary. Vola avy tao amin'ny biraon'ny famorian-ketra tao Marovoay izy io, raha ny filazan'ny zandary. Teo amin'ny fisavana ny fiara nandehanan'ity lehilahy ity no nahatraran'ny zandary azy.
Nangonin'i




Ambodivona
Tratra ireo mpivady saika hitsoaka
Vao dila ny polisy hisambotra an'ireto mpivady mpisoloky teny Andoharanofotsy i dia saika lasa tany Antsiranana izy ireo. Noraisim-potsiny teo Ambodivona.
Efa teny Ambodivona, saika hiondrana ho any Antsiranana hitsoaka an'ireo olona nofitahiny, no tra-tehaky ny polisy ireo mpivady voalaza fa mpisoloky malaza. Raha ny fanazavana nampitain'ny polisim-pirenena dia olona efatra avy amin'iny faritra manodidina an'Andoharano-fotsy iny no indray nitory azy mivady ireto, noho ny fitaka nataon'izy ireo azy.
Tao ny nilazany fa hahitany lalana mivoaka ho any Parisy ka nakany vola mitentina 1 060 000 ariary. Tao ny nampanantenainy hiasa hiambina tranon'olona eny Imerintsiatosika ary notakiany vola 150 000 ariary. Ny sasany nindramany vola 400 000 sy 100 000 ariary.
Tsy mifidy hofitahina
Tsy mifidy olona hofitahina izy mivady raha ny fanazavan'ny polisy, fa na dia ny havany akaiky azy, ny tompon-tranony hatramin'ny mpivarotra saribao aza dia isolokiany toy izany avokoa. Efa hatramin'ny volana janoary lasa teo izy mivady ireto no voalaza fa nitsoaka ny trano nofainy teny amin'iny faritr'Andoharano-fotsy iny, nandositra ireo volan'olona sy ny fitaka nampanantenainy olona. Ary tsy hita. Kinanjo nisy nahafantatra tampoka ny diany handositra ho any Antsiranana. Ary dia izao notampohan'ny polisy teny izao. Tsy afa-niala intsony, araka izany izy roa ka nanaiky mora foana ireo polisy nisambotra azy.
Raha ny fanazavan'ireto polisy nanao ny famotorana dia efa fanaon'izy mivady ireto izao fisolokiana sy famitahana olona izao. Satria tsy vao izao izy ireo no tratra tamin'ity raharaha ity. Kanefa mbola nanao ihany. Vita fifanarahana ny teo aloha, dia mamely any an-kafa indray izy.
Atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.





Zava-mahadomelina
Afaka ireo vahiny nahitana zava-mahadomelina
Hafaliana tsy omby tratra, omaly, ny an'ireto teratany vahiny 8 mianadahy voampanga ho nitondra zava-mahadomelina (« héroine ») teto Madagasikara, ny volana jiona 2007. Fifanorohana, fifamihinana, fibitahana. Nohafahan'ny fitsarana heloka bevava avokoa izy ireo. Lehilahy teratany kenyana iray ihany no voasazy handoa onitra iray tapitrisa Ar. Na izany aza, dia hita faly koa izy.
Raha ny voalaza tao amin'ny antontan-taratasin'ady dia vovon-drongony fotsifotsy milanja 800 grama no saron'ny polisy tamin'ny roa tamin'ireto vahiny. Iray tao amin'ilay lehilahy iray voaheloka tao amin'ny hotely nipetrahany, ary fonosana harona telo kosa teny amin'ny 67 ha tao amina tokantranon'ny sakaizan'ny iray tamin'ireto vahiny.
Nifandirana nandritra ny fitsarana ny mikasika ny zava-mahadomelina. Ny mpiaro ireo voampanga mantsy samy nilaza ho tsy nahita maso izany zava-mahadomelina tratra tany amin'ny olona arovany izany. Ary dia notakiany araka izany ny hanaposahana izany eo anoloan'ny fitsarana ho porofo.Ny mpitsara kosa nanamafy fa nisy ny fitanana an-tsoratra mazava ny fisian'ireo zava-mahadomelina ireo. Nefa moa dia tsy notehirizina tao amin'ny fitsarana ireo entana ireo fa nomena hotazonin'ny polisy.





Fetin'ny Paska
Hamafisina ny fiambenana ny fonjan'Antanimora
Mandritra ity fetin'ny paska ity dia hanamafy ny fiambenana ny fonja ihany koa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny mpiandry fonja. Izany hoe tsy hihanona amin'ny isan'ireo mpiandry fonja manatanteraka ny asany toy ny andavan'andro ny tompon'andraikitra, fa hampitombo hatrany amin'ny 50 % ny isan'izy ireo. « Na dia tsy ampy, tsy mahaaraka ny isan'ireo voafonja ato anatin'ny fonja aza izahay dia tsy maintsy miezaka manao ny andraikitray », hoy ny lehiben'ny fonjan'Antanimora, Rakototahiana Johnson.
Nosoritany fa na dia ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Emmo/Far izay manampy azy ireo amin'ny fiambenana ety ivelany aza dia hitombo isa toy izany ihany koa. « Tsy maintsy raisina ny fepetra satria ho maro ireo mpitsidika ny fonja mandritra io andro fety io, ny fikambanana samihafa miara-miasa amin'ny minisiteran'ny Fitsarana rahateo ho avy eny amin'ny fonja hanatanteraka ny asany. Maro, araka izany, ny fivezivezena ka izay no tsy maintsy handraisana fepetra », hoy ihany ity tompon'andraikitra ity.
Nosoritany fa mahatratra hatrany amin'ny 2 768 ny isan'ireo olona voatazona sy voaheloka manefa ny saziny ao Antanimora amin'izao fotoana izao. Ny 2 488 no tena mihidy tanteraka ao fa ny sasany nahazo fahafahana hiasa any ivelany. Raha ny zakan'ny fonja anefa dia 1 600 ihany. Misy izany ny fibosesehana ao amin'ny fonja.




Talatamaty
Tovolahy nanolana ankizikely roa
« Tsy fantatro izay nahatonga ahy ho nanao izany. » Izany no valintenin'ity tovolahy iray, 18 taona, tratra nanolana ankizikely roa, 8 sy 7 taona, tao Amborompotsy Talatamaty. Mpiasa an-trano ny anao lahy ary zanak'olona notezainy avokoa ireto nanaovany herisetra ireto.
Zanak'olona samihafa avokoa ireto nohetraketrahiny ireto, raha ny fanazavana azo. Ary samy efa nipetrahany, niasany, daholo.
Tamin'ity tokantrano niasany faharoa farany no tsy nahatanty ilay zaza ka nandaza tamin'ireo ray aman-dreniny. Ka teo no nahatrarana an-dranamana. Dia niboraka teo ihany koa ny nanaovany herisetra tamin'ilay zanak'olona nipetrahany voalohany. Simba avokoa, araka izany, ireto zaza ireto, raha ny fanazavana azo.
Niaiky ny heloka vitany moa ny lehilahy. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana teo Anosy ka notananana am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora avy hatrany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ambohidratrimo - Roalahy mpangalatra matin'ny fokonolona. Tsy tana na efa nentina tao amin'ny hopitalin'Antanetibe aza ireo mpirahalahy tratry ny fokonolona nangalatra akoho manatody lava tao an-toerana, ny alatsinainy teo. Indray namoy ny ainy izy roalahy.
Mampikony - Rongony 40 kilao saron'ny zandary. Na dia nafenina tanaty valizy 3 samihafa aza dia hitan'ny zandary nandritra ny fisavana fiara, ny talata teo, ireto zava-mahadomelina 40 kilao. Lehilahy monina any Ambanja no tompony.
Nangonin'i




Ankorondrano
Nosamborin'ny polisy i kaporaly Bob
Voarohirohy ho naka vola tsy ara-dalàna taman'olona tany Fianarantsoa i Kaporaly Bob. Nosamborin'ny polisy omaly maraina izy.
Nosamborin'ny polisy i kaporaly Bob. Niditra ny fandaharan'ny kidaona maraina ao amin'ny radio Tana eny Ankorondrano izy, omaly maraina. Vita ny anjarany, nivoaka avy tao izy, dia ny polisy no nitsena azy teny an-dalana tsy lavitra ny toerana nisy an'ity haino aman-jery ity. « Efa fantapantatro ihany ny hisian'ny fisamborana ahy, ka tsy dia nahataitra ahy firy », hoy i kaporaly Bob tafaresaka fohy tamin'ny mpanao gazety.
Endrika toy ny andavanandro, tsy ahitana fahakiviana na fahatairana ny an'i kaporaly Bob tazana teo am-pelatanan'ny polisy. Marihina anefa fa hanao fampisehoana lehibe amin'ny haiady mahazatra azy ny lehilahy eny amin'ny By-Pass, amin'ny alatsinain'ny Paska ho avy izao. Ka izy mihitsy, raha ny afisy sy ny dokambarotra hita eny rehetra eny no mikarakara an'ity hetsika ity. « Tsy misy atahorana ny amin'io, ary tsy foana satria efa misy mikarakara ny amin'izany », hoy izy nitsiky kely.Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny tompon'andraikitry ny polisy, dia raharaha fakam-bola taman'olona amin'ny fomba tsy ara-dalàna no nahavoarohirohy an'i kaporaly Bob. Ny polisin'i Fianarantsoa no tompon'ny raharaha, fa satria i kaporaly Bob monina aty Antananarivo, dia nisy ny fiaraha-miasa.
Mitentina hatrany amin'ny 7 tapitrisa ariary any izany vola nalaina tsy ara-dalàna izany, ary ankoatran'i kaporaly Bob dia vadin-tany iray sy polisy roalahy izay samy miasa any Fianarantsoa no indray voarohirohy amin'ity raharaha ity. Olona telo monina any Sahasinaka Fianarantsoa no voalaza fa tompon'ny fitoriana.
CD hosoka
Niaiky ny fisian'nyfifanolanany tamin'ireo olona tao Sahasinaka ireo i kaporaly Bob. « Resaka piraty izy io satria tratranay nanao hosoka ny CD-nay ireo olona ireo. Nahatrarana cd eo amin'ny 45 isa eo, sady mandefa ny vokatray ho fitadiavam-bola. Dia notratrarinay tany an-toerana niaraka tamin'ny polisy sy ny vadin-tany. Roa volana teo no nitrangan'ny raharaha. Nambaran'i kaporaly Bob fa ara-dalàna tsara ny fomba nitondrany an'ireo mpiasam-panjakana ireo tany an-toerana, fa ny mpitory azy no nilaza fa polisy sandoka izy ireo, ary dia izao nivadika izao ny raharaha.Omaly hariva ihany ny kaporaly Bob dia nentina nankany Fianarantsoa.




Fetin'ny Paska
Zandary sy polisy 1600 no indray hiasa
Toy ny isan-taona dia hirotsaka an-tsehatra handamina sy hanara-maso ny fetin'ny Paska mba hahafahan'ny rehetra miala voly ny mpitandro ny filaminana. Ho an'ny eto amin'ny faritr'Analamanga manokana, dia zandary sy polisy miisa 1600 no indray hirotsaka an-tsehatra hanatanteraka izany,1200 avy amin'ny zandarimariam-pirenena ary 400 kosa ny avy amin'ny polisim-pirenena. Manomboka anio asabotsy izy ireo no hirotsaka an-tsehatra ary tsy hijanona raha tsy ny alatsinain'ny Paska.
Fitaovana maro, araka izany, no indray hihetsika ampiasain'izy ireo, toy ny fiara, moto, fitaovam-pifandraisana. Saingy ho an'ny zandarimariam-pirenena manokana, ankoatra ireo fitaovana lehibe afaka antsoina hanampy amin'ny loza miseho, dia misy ny sambo kely haingam-pandeha izay hiasa any Mantasoa.
Fitandreman'ny rehetra
Koa manainga ny rehetra ireto mpitandro ny filaminana ireto mba samy hitandrina amin'ny fiatrehana ny fety, satria tsy misy afa-tsy ny fitandreman'ny rehetra sy ny fanajàn'izy ireo ny lalànan'ny fifamoivoizana ihany no ahafahana misoroka voalohany ny loza. Tsy ny mpamily fiara ihany moa no voakasik'izany hafatry ny mpitandro ny filaminana izany fa na dia ny mpandeha an-tongotra ihany koa aza.




Ivandry
Lehilahy roa maty voatifitra
Nifampitàna teny Ivandry indray ny ekipan-dry Dorika sy ny polisy. Naman'i Dorika roalahy no maty voatifitra tamin'izany.
Lehilahy roa, nambaran'ny polisy, araka ny fanazavana nampitain'izy ireo taty amin'ny gazety, fa jiolahy naman'i Dorika, no indray maty voatifitra teny Ivandry, ny asabotsy hariva teo, tokony ho tamin' ny 5 ora hariva.
Voalaza fa saika hanafika tranon'olona teny an-toerana izy ireo tamin'io fotoana io, nandeha fiarakaretsaka. Kanjo ny polisy no tonga aloha ka rava ny tetika nokasainy. Raikitra ny fifanjevoana tamin'ny fifampitifirana ka tamin'izany no nahalavo an'ireo roalahy.
Voalazan'ny filazana mantsy fa dimy lahy ry Dorika no niara-dia tamin'io. Saingy tafaporitsaka ny telolahy.
Fifanjevoana
Nisahotaka, araka izany, ny mponin'Ivandry, indrindra fa ireo nonina tamin'iny faritra manodidina ny trano lehibe iray teny an-toerana sy ny siniben-drano. Notapahin' ireo polisy mihitsy tsy nahazo nandehanana mantsy ny lalana raha vao tonga izy ireo.
«Tsy dia hitako loatra ny fandehany fa ny poa-basy nirefitra sy ireo polisy nanao fanamiana sivily efa nisahotaka no tazako. Lehilahy iray no tonga dia nitsirara teto (mantsy ny sisin-dalana teo amin'ny arabe) ary avy eo ireo nifanenjika sy nifampitarika tany anaty fasana tany», hoy Rasoa mpivarotra iray teny an-toerana. «Tsy hay intsony na basin'ny polisy no re na basin'ireo jiolahy fa efa samy nifampitady tany anaty fasana tany ry zalahy», hoy kosa ireo tovolahy tao an-tanàna.
Ny polisy mantsy nilaza fa nanana basy ireo jiolahy ary ny iray tamin'ireo maty voatifitra dia nahatrarana basy poleta "Makarov" iraysy bala, niaraka tamin'ny taratasy milaza ny fotoana nivoahany ny fonja. Adiny iray sy sasany teo naharetan'ny fifanjevoana.





Paska
Nilamina ny fety
Azo lazaina ho nizotra tamim-pilaminana ny fetin' ny Paska tamin'ity taona ity, na dia nifanaretsaka sy nifanitsakitro aoka izany aza ny mpitsangatsangana tamin'ireo toerana nisy fety aman-danonana samihafa.
Raha ny tarehi-marika voaray teo anivon'ny sampana vonjy taitra teo amin' ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona mantsy, nanomboka, ny asabotsy teo ka hatramin'ny andron' ny omaly, alatsinain'ny Paska, dia tsy nisy mihitsy ny olona namoy ny ainy. Nisy tokoa ireo naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana, niady, naratra tany am-piasana sy teny am-panaovana fanatanjahantena ... izay nahatratra hatrany amin'ny 291 (hatramin'ny 4 ora nakana ny vaovao) fa tsy nisy ny namoy ny ainy.
«Efa zava-dehibe izay tsy fisian'ny olona namoy ny ainy izay», hoy ireo mpitsabo tafaresaka taminay.
Fa na izany, ny teo amin'ny lanonana isan-karazany, tsy latsa-danja noho izany ny teo amin'ny sehatry ny fivavahana, ny alahady andron'ny Paska. Hipoka avokoa ireo trano fiangonana rehetra. Raha ny teny amin'ny fiangonana FJKM Anosivavaka Ambohimanarina manokana, ankoatra ny fanompoam-pivavahana lehibe fanaon'ny isam-piangonana rehefa andro lehibe toy itony dia niavaka ny fotoana natao satria zavatra telo loha no indray no notontosaina tao am-piangonana. Teo ny fanokanana diakona sy loholona, ny fanaovana batisa izay nisy teo amin'ny 60 teo. Fa ny tena nisongadina dia ny fitokanana ireo katekomena miisa 127 mianadahy.
Indroa miditra ny fiangonana tao an-toerana fa dia saika hipoka foana izany, indrindra fa tamin'ny fidirana faharoa nanatanterahana ireo lanonam-pivavahana lehibe ireo. Ny mpitandrina tao an-toerana Ramangarivo Zoly no nitarika ny fotoana rehetra tamin'izany.




Toliara
Tratra ny sokatra 253 saika hohanina
Sokatra miisa 253 indray no tra-tehaka tany Ilanivato, kaominin'Itampolo amin'iny faritr'i Toliara iny. Ny fiaraha-miasan'ny minisiteran'ny Tontolo iainana, ny rano sy ny ala ary ny fizahan-tany amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny Angap (masoivohom-pirenena miaro ny tontolo iainana) no nahatrarana an' ireto biby sarobidy arovana eto Madagasikara ireto.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny minisiteran' ny Tontolo iainana dia saika hovonoina ka hohanina ireto biby sarobidy ireto satria ny 15 amin'izy ireo dia efa ripaka, efa natao sakafo avokoa. Ka tsy misy afa-tsy ny vatany sisa no tratr'ireo tompon'andraikitra. Sokatra 238 izany sisa tratra velona.
Sokatra malagasy avokoa ireto biby ireto ary ny 65 amin'izy ireo dia ilay karazany antsoina hoe «Radiata», ny 80 kosa dia amin'ilay karazany «Pixus».
Olona 10 no voalaza fa indray voarohirohy amin' izao raharaha izao, nahatrarana ireo biby ireo ary efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana azy ireo. Tsy ny fanondranana ny sokatra malagasy ihany mantsy no voararan'ny lalàna fa na ny misambotra ka mitondra sy mihinana azy ireny.
Ireo biby sisa velona moa dia efa natokana amin' ny vala fanaraha-maso ny biby (mise en quarantaine) ao amin'ny «cantonnement» Betioky hijerena akaiky ny fahasalamany.




Lalam-pirenena fahefatra
Olona roa naratra navadiky ny fiara
Olona roa no indray naratra navadiky ny fiara 4L tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny. Teo Ankadimainty no niseho ny loza. Somary fiakarana ny làlana ary hihazo izany indrindra ilay fiara no niharan-doza.
Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza, na vokatry ny fahasamponana tampoka teo amin'ilay fiara na avy amin'ny anton-javatra hafa. Na izany aza dia voalaza fa tsy nisy naninona firy ireo olona roa niharan-doza.
Efa nalefa eny amin'ny hopitaly HJRA moa ireo naratra.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Carion - Hen'omby nahafaty olona telo. Olona telo no indray maty vokatry ny fihinanana hen'omby tao Ankadiefajoro, kaominin'Ambanivohitr'i Manjakandriana ny faran'ny herinandro teo. Omby vavy maty tao an-tanàna no voalaza fa nahatonga ny loza. Olona 40 kosa no indray voatery naiditra hopitaly tao Manjakandriana. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ny manam-pahefana ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana sy ny eo anivon'ny minisiteran'ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.
Lalana Digue - Raim-pianakaviana maty nodonin'ny fiarakaretsaka. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana nodonin'ny fiara tamin'iny lalana «digue» iny, teny Ankadimbahoaka, ny alin'ny zoma hifoha asabotsy teo. Mpitaingina bisikileta ity voadona ity.
Nangonin'i




Événement (2)
Pâques à Tana
Baptême du feu réussi pour Wawa à Antsahamanitra.




Événement (5)
Pâques à Tana
Réapparition de Ra-Ckicky au By-Pass.




Manamboninahitra voasambotra
Resabe tato ho ato ny amin'ireo manamboninahitra voasambotra noho ny antony maro samy hafa, ...
... ka ny fanontaniana mipetraka momba ilay resaka kolonelin' Ambohitsorohitra dia hoe : tena marina ve ireny zavatra ireny sa sao dia sinema hakana ny fon'Antananarivo na ny fon'ny vahoaka malagasy amin'ny ankapobeny ?
Ny antony dia satria efa ho herintaona angamba izao (na mahery aza) no naharenesana sy nilazan'ny gazety na Malaza (objectif) na Telonohorefy fa toa misy olona ambony na olon'Ambohitsorohitra voatonotonona manome alalana ireny fanondranana antsokosoko hazo sarobidy ireny (Bois précieux na Bois de rose); ka sao dia lasa natao sorona na fusible na bouc émissaire fotsiny lay kolonely voasambotra fa mety mbola misy olona ambony noho izy no tena tompon' andraikitra tamin'ireny ?
Ka dia natao izay anarotsaronana ilay izy; fa raha marina kosa ireny toe-javatra ireny dia mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe : nahoana no herintaona aty aoriana vao misy fisamborana nefa ny mpanao gazety sasany efa nilaza lay izy elaela ihany; koa miangavy anareo mpanao gazety hanao fanadihadiana lalina kokoa raha azo hatao ; satria koa dia misy ny mihevitra fa mety fanatsarana endrika ataon'ny mpitondra eo imason'Antana- narivo ireny fisamborana ireny ( isehoana fa manafay ny mpanao risoriso ny fanjakana ) ; Antananarivo sy ireo tanan-dehibe maro, zay efa somary manomboka misintaka amin'ny fitondrana ihany raha ireny voka-pifidianana ben'ny tanàna sy rezionaly ireny no jerena ka atao indray zay hambaboana azy ireo amin'ny fomba rehetra.
NB : hadihadio koa fa maninona no atao mitarazoka ohatran' izao ny famoahana ny valin'ny fitarainana momba ireny vokatry ny fifidianana ben'ny tanana ireny tamin'ny 12 desambra farany teo ; vokatr' izany dia maro no mihevitra fa mbola ho ela vao hisy eto amintsika izany fitsarana tsy baikon'ny fitondrana zany.
M. Solo




Asan-jiolahy
Valo lahy voaheloka higadra folo taona
Jiolahy valo lahy, mpanao fanafihana teto an-drenivohitra, no indray nohelohin'ny Fitsarana heloka bevava folo taona asa an-terivozona, omaly. Niaiky izany daholo izy rehetra.
Asa an-terivozona mandritra ny folo taona, miampy dimy taona tsy fandiavana faritany ary fandoavana onitra mitentina dimy tapitrisa ariary avy ho an'ireo olona naratra notafihiny no sazy nampiharin'ny Fitsarana heloka bevava an'ireo valolahy voampanga ho nanao fanafihana teto an-drenivohitra tamin'iny faramparan'ny taona 2006 sy fiandohan'ny taona 2007 iny. Sivy lahy izy ireo no indray voampanga fa ny iray nohafahan'ny Fitsarana noho ny fisalasalana.
Nisy nahatadidy endrika
Nomarihin'ny mpitsara fa telo sosona ny fiampangana an'ireo voaheloka tamin'izany, dia ny halatra narahin-kerisetra, vono sy ratra niniana ary fanaovana fikambanan-jiolahy.
Tokantranon'olona maromaro teto amin'ny faritra manodidina ny renivohitra (teny Ambohidratrimo, Alakamisy, Talatamaty...), saika mpivarotra enta-madinika avokoa ny ankamaroany, no indray notafihan'ireto jiolahy ireto ka nitsarana azy. Ary dia niaiky izy ireo, indrindra fa izy valolahy voaheloka, tamin'izany zava-dratsy vitany rehetra izany. Nisy tamin'ireo notafihina rahateo nahatadidy tsara ny endrik'izy ireo, izay tsy nahafahany niala.
Samy nifona teo anatrehan'ny Fitsarana avokoa moa izy valolahy voaheloka.




Andranomanalina
Lehilahy nisandoka ho polisy
Notanana any amin'ny fonjan'Antanimora, omaly, rehefa natolotra ny Fampanoavana, ilay lehilahy nisandoka ho polisy teo Andranomanalina. Tsy nisy tsy nihorohoro ny rehetra tamin'ny fampitahorana nataon'ity lehilahy ity. Sous-brigadier de police no nambarany fa gradiny. Efa zatra ny lalan-dririnina tokoa angamba ny anao lahy ka tany amin'ny tena polisy mihitsy izy no namatratra izany fizahozahoany ho polisy izany.
Taitra ity polisy ka namoaka ny karatra maha polisy azy. Dia noteneniny ity sous-brigadier sandoka mba hamoaka ny karany tena izy ihany koa. Tankina tsy nahateny teo ny anao lahy, ka tonga dia notolominy andeha hovonoiny ilay polisy. Mailo tamin'izany ity farany ka tonga nampiakatra ny raharaha ary dia izao voatana am-ponja izao ity mpisandoka.




Ivato
Nopotehin'ny sasany ny poste de contrôle
Nohetraketrahan'ny sasany sy nopotehiny, ny alahady 16 marsa teo, ny poste de contrôle fiasàn'ny zandarimariam-pirenena teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Novakiany ny varavarana, nongotany ny taribin-jiro, novakiany ny fitaratra... Ary avy eo naparitany teny amin'ny manodidina ireo rehetra ireo. Taorian'ny sidina mankany ivelany, ny maraina vao mangiran-dratsy, tamin'ny 3 ora sy sasany teo, no voalaza fa nanaovan'ireo mpihetraketraka izany.
Raha ny fanazavana nomen'ireo mpitandro ny filaminana teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato dia ireo mpanao « bizina»amin'ny fanakalozana devizy eny amin'ny seranam-piaramanidina no namotika an'ity poste de contrôle ity. Tezitra mantsy izy ireo satria voarara tsy mahazo miditra ao amin'ny faritry ny seranana intsony. Ka nitangorona teo ivelany teo sisa no nataony. Ary nony dify ireo zandary dia io nopotehiny io ny tranokely fiasàny.
Antom-piveloman'ireto mpanimba zava-panjakana ireto tokoa mantsy ny fanakalozana devizy.
Araka izany mitady toerana be olona mifanerasera izy ireo mba hahamora ny asany. Izany no nahatonga ny fihetsika tsy voahevitra.
Teo no ho eo ihany dia nanao ny fanenjehana azy ireo ka dimy lahy no indray sarona. Nentina natolotra ny Fampanoavana teo Anosy, omaly, ary dia notanana am-ponja vonjimaika any Antanimora, miandry ny fitsarana azy.




Mahamasina
Raim-pianakaviana notsatohan'ny vadiny antsy
Eo am-pelatanan'ny polisy amin'izao fotoana izao ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza nanindrona antsy ny vadiny teny Mahamasina, afak'omaly hariva. Nifanehatra tamin'ny sakaizan'ity vadiny ity renim-pianakaviana ity tamin'io fotoana io.Voatery niaraka tsy fidiny tamin'ity rafiny ary ilay renim-pianakaviana, nitantana an-drangahy vadiny mamon'ny zava-pisotro misy alikaola.
Teny an-dalana nafana ny resak'izy roa mpirafy ary tamin'izany no tsy tratra ny nandraisan'ilay ramatoa ny antsy tany ambalahany, ka nanindronany an-drangahy. Soa fa akaiky ny hopitaly HJRA Ampefiloha ka nentina haingana novonjena tany ny naratra. Ilay renim-pianakaviana kosa nosamborina ary natolotra ny polisy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankorahotra - Fiara be nivadika. Teo afovoan'arabe teny Ankorahotra, omaly maraina, no nivadika ilay kamiao be iray nitondra zava-pisotro marobe. Vaky tsy nisy noraisina avokoa ary niparitaka ireo tavoahangy sy zava-pisotro nentiny. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny loza.
Fanodinkodinan-jaza - Nohafahana ilay mpampianatra. Nohafahan'ny Fitsarana heloka bevava, omaly, ilay mpampianatra voampanga ho nanodinkodina zaza tsy ampy taona teny Ambohidratrimo, ny volana janoary 2007. Nolaviny ny fiampangana azy.
Nangonin'i




Andrefan'Ambohijanahary
Trano may nanenjehana mpangalatra
Trano may no novonjena tao Befelatànana, nefa mpangalatra no nifanenjehana. Tsy tratra mantsy fa notsehan'ilay mpangalatra ny entan'ireo niharam-boina.
Misy tokoa ny manarao-paty ! Tsy tratra omaly maraina ny nitsehan'ity raim-pianakaviana iray ny entan'ireo olona traboina, may trano teny Befelatànana tamin'io fotoana io. Solosaina iray niaraka tamin'ireo kojakoja samihafa teo akaikiny no indray nahoron'ity lehilahy ity. Nofono-siny gony soa aman-tsara ilay entan'olona ary dia iny izy no lasa.
Soa fa nisy nahita ny nandehanany, niditra ny vavahady ben'ny hopitaly avy taty akaikin'ny tranom-paty (teo ampitan'io vavahady io indrindra no nisy ilay trano may) ary dia lasa namakivaky tao amin'ny hopitaly tao.
Fifarimbonana
Hay ranamana, manana zanaka marary tsaboina ao amin'ity hopitaly ity ary dia tao izy no nahita ny loza niseho. Nirotsaka an-tsehatra niditra tao amin'ilay trano may izy. Toy ireny fokono-lona tonga mba hamonjy ireny. Nefa hay hangalatra no anton-diany.
Niparitaka teo amin'ny arabe avokoa mantsy ny entan'ireto olona niharam-boina ireto ka ny mpiambina tao amin'ilay trano no niezaka niandry ny entana. Ny fokonolona kosa no nifarimbona nanavotra sy namoaka izay tao anatiny, mandra-pahatongan'ny mpamonjy voina.
Tany amin'ny rihana farany ambony tamin'ity trano ity moa no nisehoan'ny loza. Zaza nilalao afo tao an-dakozia no nahatonga ny loza. Nahazo ny gazy tao izany ka nandrehitra ny trano. Saingy mba hisorohana ny fihitaran'ny afo no nahatonga ny tompon-trano sy ny fokonolona namoaka ny en-tana hatrany ambany rihana. Telo mianaka no tao an-trano ary avotra tsy nisy naninona.





Sakafo nankarary
Valo mianaka naiditra hopitaly
Fianakaviana iray, valo mianaka, no indray niditra hopitaly teny amin'ny HJRA Ampefiloha tao amin'ny sampana fitsaboana ny sakafo voapoizina, ny talata teo. Sakafo nohaniny tamin'ny alatsinain'ny Paska, mine-sao, no voalaza fa nahatonga ny tsy fahasalaman'izy ireo.
Narary kibo ary nivalana tsy an-kijanona izy. Samy nisesy tratr'izany aretina izany avokoa izy mianakavy tao an-trano, na kely na lehibe, ary teo vao samy tonga saina tamin'ilay sakafo nohanina.
Adiny efatra taorian'ny nihinany an'ilay mine-sao nokarakaraina tao an-trano no nisehoan'ny aretina.
Fahadiovana
Ny talata maraina izy ireo, rehefa tsy nety nijanona ny fivalanana sy ny aretin-kibo vao tonga namonjy hopitaly. Ary omaly alarobia ihany dia efa samy afaka nody. Avotra soa aman-tsara.
Nomarihin'ny mpitsabo fa vokatry ny fikarakarana an'ilay sakafo no nahatonga ny aretina. Ny fanaovana mayonnaise indrindra, no nosoritan'ireo mpitsabo fa mila fitandremana amin'izany. Voalazany fa ankoatra ny fifadiana ny atodin-gana atao amin'io karazana haingon-tsakafo io, dia mila mitandrina eo amin'ny fahadiovana sy ny fitehirizana azy. Vetivety mantsy dia mivadika ho poizina mankarary ity sakafo ity raha toa ka tsy voatandrina ny toerana ametrahana azy.




Vohémar
Voaroban'ny jiolahy Ar 2 600 000
Mirongatra tokoa amin'izao fotoana izao ny fanafihan-jiolahy sy ny vaky trano ao amin'ny faritr'i Vohémar ao. Mpanangom-bokatra lavanila iray tao an-tanàna indray no niharan'izany, ny faran'ny herinandro teo. Tratry ny vaky trano izy io, ka lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny lelavola mitentina 2 600 000 ariary.
Raha ny vaovao azo avy any an-toerana, dia tsy ren'ireo tompon-trano tao mihitsy izay namakian'ireo jiolahy ny trano. Na ny nanatsofany ny varavaran-kazo na ny nidirany tao an-trano nisokirany an'ilay vola. Fa ny maraina efa nifoha daholo ireo tompon-trano vao zendana nahita ilay toerana nametrahana ny vola nikorontana, sy ny entana niaraka taminy niparitaka tamin'ny tany. Nojerena ihany koa ny varavarana ka efa babangoana, ary trano nidanadana sisa no hita.
Mahafanta-javatra
Ny nahazendana ireo tompon-trano, dia ny fomba nahafantaran'ireo jiolahy ny fisian'ilay vola tao an-trano sy ny toerana nitehirizana azy. Tsy nisy zavatra hafa nokitihin'izy ireo mantsy tao an-trano afa-tsy ilay toerana nisy ny vola ihany. Inoana, araka izany, fa olona tsy lavitra an'ity fianakaviana ity no nitarika ireo jiolahy tamin'ny famakiana ny trano.
Nosoritan'ireo mponina any an-toerana fa hatramin'izay tsy nandehanan'ny jiro tao an-tanàna izay no nampirongatra ny asan-jiolahy tany amin'iny faritra iny. Koa manaitra ny sain'ireo tompon'andraikitra, araka izany, ny mponina mba hijery akaiky ity olan'ny jiro ao aminy ity.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankazomanga - Nifandritaka ny mpino ao amin'ny FKPMA. Eny amin'ny fitsarana amin'izao fotoana izao ny raharahan'ireo mpino ao amin'ny fiangonana FKPMA teo aloha, eny Ankazomanga. Ny raharaham-bola teo anivon'ity fiangonana ity no fototry ny disadisa. Ireo mpivavaka tao aminy no nitory ireo tompon'andraikitra sasany tao amin'ny filankevi-pitantanan'ny fiangonana.
Itaosy - Zaza roa indray dobo an-drano. Efa ny hariva, ny talata teo, vao hita ny fatin'ireo zazakely roa, enina sy sivy taona, indray dobo an-drano teny Itaosy. Nilalao teo amoron-drano izy ireo, ka raha ny fanazavan'ireo nahita dia ilay kely, enin-taona, no dobo an-drano voalohany. Nahita an'izay ilay zokiny, sivy taona, dia nilomay hanavotra azy. Kanjo dia rendrika tao koa izy.
Ampefiloha - Fiara nidedaka. Fiara 4L iray no nidedaka teny am-pandehanana teny Ampafiloha, omaly hariva. Vokatry ny fahasamponana tampoka niseho tao anatin'ny moteran'ilay fiara no nahatonga ny loza. Ny fokonolona teny amin'ny manodidina ihany moa dia efa nahafaty ny afo.
Mahitsy - Hita ilay zazavavy very. Omaly hariva no hita ilay zazavavy kely, 16 taona, very tsy hita tany Mahitsy, ny faran'ny herinandro teo. Olona iray no fantatra fa voarohirohy amin'izany, ary efa mandeha ny famotorana.
Nangonin'i




Ambohidahy
Mpitarika sarety nodonin'ny taxi-be
Nandona mpitarika sarety roalahy teny Ambohidahy ny taxi-be 123 iray, omaly maraina. Nifatratra tany amin'ny tamboho ilay fiara avy eo. Tsy fantatra mazava izay fototry ny loza.
Mpitarika sarety roalahy no indray naratra mafy, voadona teo amin'ny lohany sy ny lamosiny. Nodonin'ny taxi-be 123 teny Ambohidahy, omaly maraina vao nangirandratsy, tamin'ny 5 ora. Hiazo an'iny fidinam-be teo an-toerana iny indrindra ilay taxibe tamin'io.
Tsy fantatra mazava izay nahavoa an'ilay fiara fa nisosasosa. Dia ireo mpitarika posy roalahy teo alohany no nodoniny. Ny andro rahateo nanorana, ka tsy hay na tazan'ilay mpamily ilay posy teo alohany na tsia.
« Soa ihany fa kinga ilay mpanamory namily haingana an'ilay fiara ho any amin' ny sisin-dalana. Ka tsy voahosy izy roalahy. Fa saika faty olona no nitranga teo », hoy ity mpandeha iray tao anatin'ilay taxi-be.
Tsy nisy aina nafoy
Tonga tany amin'ny tambohon'ny minisiteran'ny Varotra, araka izany, ilay taxi-be vao tafajanona. Potika teo ny loha havanan' ilay fiara. Naratra ireo mpandeha roa nipetraka teo
amin'ny seza anoloana. Soa fa tsy misy atahorana ny momba ny ainy, araka ny fanazavan'ny mpitsabo.
Nisy fahapotehana koa, araka izany, ny posy voadona. Entan'ny mpivarotra hamonjy ny tsenan'i Mahamasina vao maraina no nentin'ireto mpitari-posy roalahy ireto.
Nosoritan'ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara moa fa nandray ny andraikiny, nanatitra ireo naratra tany amin'ny hopitaly sy nikarakara azy ireo tamin'ny fividianana fanafody ilay mpamily sy ny mpanampy azy.
Efa tonga teny an-toerana nanao ny fitsirihana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana avy ao Tsaralalana.





Anosizato
Lehilahy telo tratry ny polisy
Tsy nahetsika tamin'ny toerany ireto telolahy notemerin'ny polisy teny Anosizato, omaly antoandro. Nanafika renim-pianakaviana iray teny an-toerana izy ireo, ny herinandro teo, raha ny fanazavana azo teny an-toerana, ka tadidin'ilay renim-pianakaviana tsara nony nandalo.
Polisy teo akaiky teo, nandamina ny fifamoivoizana, no nantsoiny haingana. Tonga dia nisambotra azy telolahy ny polisy. Taorian'izay vao tonga ny polisy misahana ny heloka bevava eo Anosy nandray azy ireo.
Vola be mitentina telo tapitrisa ariary sy rojo volamena no lasan'izy ireo teny amin'ity renim-pianakaviana ity. Nohararaotin' ireto jiolahy tao anaty filaharam-ben'ny fiara moa ny nanafihana an'ilay renim-pianakaviana tao anaty
fiarany. Nitondra basy izy telolahy tamin'io.




Sekoly ambonin'ny ACEEM
Notsidihin-dRadavidson
Tonga nijery ifotony ny endriky ny sekoly ambonin' ny vondrom-panabeazana ACEM teny Mana- kambahiny, omaly, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Radavidson Andriamparany. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina.
Tsy maintsy apetraka mazava anefa ny cahier des charges, ny sekoly manara-penitra sy ny endriky ny fanabeazana ao aminy, mba hifanandrify amin'ny fari-pahaizana tadiavin'ny fandrosoana. Noderainy ity sekoly ity sy ny ezak'ireo tompon'andraikitra ao aminy.




Sainte-Marie
Hazo 4t tratry ny tafika an-dranomasina
Sady tsy nisy taratasy fahazoan-dàlana mazava momba azy no tsy nisy fahazoan-dàlana hitondra azy eny ambony rano ihany koa, ny hazo 4 taonina tratry ny tafika an-dranomasina tao Sainte-Marie, afak'omaly maraina. Telolahy no tompon'ny entana ary efa natolotra avy hatrany ny zandary mba hatao famotorana.




Mamingavinga ny Firenena
Sarotra tokoa ny miala amin'ny mahazatra.
Hatrany am-piandohana, eny fa tamin'ny 1947 talohan'ny «fikomiana» mihitsy aza, dia efa nampidirin'ny fitondrana frantsay mpanjanatany, na ny foibe tany Frantsa na ny mpanatanteraka teto Madagasikara, tao an-tsain'ny vahoaka malagasy sy ny vazaha fa hisy fikomian'ny Malagasy izay hiantomboka amin'ny 29 martsa 1947.
Tsy vitan'izany, fa ny Malagasy nitaky fahaleovantena madio mangarahara tamin'ny fomba milamina sy ara-dalàna no notondroina ho nioko sy namolavola ary nampanatanteraka izany fikomiana izany, ka izy ireo no tompon'andraikitra voalohany amin'ny faty olona an'alina marobe nateraky ny «fampandrian-tany» vita kalamina mialoha nomanin'ny Frantsay.
Tsy ireo namoy ny ainy tamin'izany velively no disoina. Ireo indrindra no tsarovana am-panajana amin'ny tononandron'ny 29 martsa, ka tsy anekena ny hanaovana «lanonana manetriketrika». Ny maro an'isa tamin'ireo maty ireo, ny 99% tamin'izy ireo mihitsy aza angamba, dia olona tsy nanan-tsiny afa-tsy ny fitiavan-tanindrazana, ka nahavoafitaka azy ary nanarahany ireo voakaraman'ny Frantsay hamadika tsotra izao ny fireneny.
Tsotra ny zavatra nambaran'ny Otrikafo : tsy fikomiana nomanin'ny MDRM sy ny mpitarika azy no nipoaka tamin'ny 29 martsa 1947, fa tetika maty paika nataon'ny herim-panjanahana, hamonoana an-karanany ny fankamamian'ny Malagasy ny MDRM sy ny fitiavan-tanindrazana niredareda hatrany am-piandohana tao am-pon'ny vahoaka manerana ny Nosy. Ny ankoatr'izay dia fandikana vilana ny nolazain'ny Otrikafo.
Fara Mananjandry
Taranaka MDRM




Ambohimanarina
Miaramila voatifitry ny polisy
Polisy no nahatifitra an'ilay manamboninahitra lefitry ny tafika teny Anosivavaka Ambohimanarina, ny zoma maraina teo. Voa teo amin'ny takibany ilay miaramila.
Miaramila iray, manamboninahitra lefitra miasa ao amin'ny toby RM1 ao Analakely, fantatry ny manodidina amin'ny anarana hoe Ra-Sisi, no naratran'ny balan'ny polisy ny zoma maraina teo, teny Anosivavaka Ambohimanarina. Teo amin'ny takibany no niantefa ny bala. Polisy iray nisambotra olona teny an-toerana no nahatifitra azy, raha iny izy nivoaka ny tranony handeha hiasa maraina iny.
« Manodidina ny tamin'ny 6 ora sy fahefany maraina teo no nandrenesako an'ilay poa-basy. Nivoaka aho nijery ka polisy iray nanao fanamiana sivily, nijoro teo anoloan'ilay fiarakaretsaka Renault 4 no hitako. Izy niantso an'ilay olona voatifiny no reko ary teo no nahafantarako fa hay Ra-Sisi no voatifitr'izy ireo », hoy i Sely, raim-pianakaviana iray nipetraka teo amin'ny manodidina.
« Iza ilay voa, izahay anie polisy e ». Izany no notenenin'ilay polisy rehefa avy nahavoa an'ilay miaramila izy, araka ny
nambaran'i Sely sy ity renim-pianakaviana iray. Tonga dia nanatona azy ilay miaramila ary nitonona tamin'ireo polisy ny momba azy sy ny diany handeha hiasa.
Noheveriny fa jiolahy
Teo ireo polisy roalahy vao nikoropaka ka nitondra azy haingana tany amin'ny hopitaly.
Nosoritan'i Sely, araka ny tenin'ilay miaramila tamin'ireo polisy sady ren' ireo olona teo amin'ny manodidina, nitangorona, fa noheverin'ilay miaramila ho jiolahy ilay nitifitra azy ka niezaka ihany izy ny nandositra raha vao voa. Rehefa nandre ny tenin'ilay polisy niantso azy sy nitonona ho polisy izy vao niverina. « Nanao fanamiana sivily mantsy ireo polisy nisambotra olona tety ka tsy fantatra mihitsy raha tsy nitonona », hoy izy.





Antsiranana
Rongony 100 kilao tratra
Na dia efa betsaka aza ny vokatra azon'ireo mpitandro ny filaminana nalefa nampandry tany amin'iny faritr'Antsiranana iny, nohon' ny asan-jiolahy sy ny hetraketraka samihafa, dia mbola mijanona any an-toerana manohy izany asany izany ihany izy ireo. Ny sabotsy 29 marsa teo dia lehilahy iray voalaza fa anisan'ny mpamatsy rongony an'ireo tovolahy ao an-toerana no saron'ny zandary, tao amin'ny fokontanin'i Escama.
Ny maraina be vao mangiran-dratsy, tany amin'ny 3 ora sy sasany tany izy ity no tratra, teo am-pitondrana izany ho entiny mody. Raha ny fanazavana azo dia vao avy nalainy tamin'ny fiara nitondra azy ity rongony ity. Izay faritra nakàny ilay rongony moa tsy mbola fantatra satria teo no ho eo ihany izy dia nentina namonjy ny biraon'ny zandary nanaovana famotorana.
Anio ity lehilahy ity, raha ny voalaza, no atolotra ny Fampanoavana any an-toerana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andoharanofotsy - Raim-pianakaviana nihantona tamin'ny tady. Tao anaty lava-piringa tao Volotara Andoharanofotsy, ny alarobia maraina teo, no nahitan'ny fianakaviany an'ity raim-pianakaviana iray nihantona tamin'ny tady. Manambady aman-janaka izy io ary tsy fantatra mazava na namono tena izy na nisy namono. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny zandary.
Nosy Be - 19 lahy tratra nanjono «concombre de mer ». Lakana kely roa, nahitàna mpanjono 19, no indray tratran' ny tafika an-dranomasina avy ao Nosy Be, nanjono « concombre de mer » tamin'iny faridranomasin'i Nosy be iny, ny alin'ny 19 marsa teo. Tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana hanao izany tany amin'izy ireo.
Analakely - Fianakaviana iray niharan-doza. Ela tsy nifankahita ka nifamangy nitety an'ireo fianakaviana teto an-drenivohitra ny alarobia alina teo, ireo olona dimy mianaka niharan-dozam-pifamoivoizana teo Analakely. Fianakaviana iray avokoa izy ireo, raha ny fanazavan'Andriantahiana R Francis.
Nangonin'i




29 mars 1947
Commémoration (2)
Dépôt de gerbe par le président de la République au Mausolée Andrainarivo.




Famonoam-bady
Voaheloka 20 taona rangahy
Namono nahafaty tamin'ny fomba feno habibiana ny vady andefimandriny ity raim-pianakaviana iray. Nomelohina hanao asa an-terivozona mandritra ny 20 taona izy.
Nohelohin'ny Fitsarana heloka bevava hanao asa an-terivozona mandritra ny 20 taona, omaly tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy, ilay raim-pianakaviana namono nahafaty ny vadiny teny Alasora, ny 4 marsa 2007 teo. Miampy tsy fandiavam-paritany mandritra ny 5 taona sy fandoavana onitra mitentina 7 tapitrisa ariary ny saziny. Tsy rototra ny lehilahy raha nandre an'io didy io. Nolaviny mazava izao anefa, teo amin'ny fiarovan-tenany, ny fiampangana azy. « Tsy izaho no namono ny vadiko fa ny mpanofa trano », hoy izy tamin'ny mpitsara.
Na izany aza anefa ny fiarovan-tenany dia nohelohin'ny Fitsarana izy. Maro ireo porofo rehetra teo anatrehan'ny Fitsarana sy ny fanazavan'ireo vavolombelona samihafa. Tsy ny mpiray tampo amin'ilay renim-pianakaviana maty ihany, fa hatramin'ny manodidina, ny fokontany ary ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Vemiaa (Vehivavy mivoatra ao Alasora faritra Analamanga) miaro ny zon'olombelona, izay miorina eny Alasora, dia nijoro tamin'izany. Efa taratasy maro mantsy no nipetraka tao amin'ny fokontany sy tao amin'ity fikambanana ity mikasika ny herisetra mahatsiravina ataon'ity raim-pianakaviana ity amin'ny vadiny.
Nambaran-dRazanadrasoa, renin'ity maty, fa tsy mba indray mandeha ny vono fa efa natetika. Mivonto ny maso, mangana ny tarehiny... hatramin'ny tsy fanomezan-kanina « Tamin'io andro io, sady vono karavasy no daroka zaran'angady tamin'ny lohany no namonoany ka nahafaty ny vadiny », hoy izy. Bevohoka efa-bolana ilay zanany vavy tamin'io.
Efa nitera-dahikely iray, izy mivady ireto. Fa na ilay zaza aza dia fadiranovana ary matahotra an-drainy amin'io herisetrany io.
Azo lazaina ho sanganehana ihany ireo fianakavian'ilay renim-pianakaviana novonoina. Nambarany fa manodidina ny 46 taona any ity lehilahy ity no mivoaka ny fonja. « Mbola ao anatin'ny heriny tsara izy amin'izany ary matahotra ny hanaovany valifaty izahay », hoy izy ireo. Mbola hivory handinika na hampiakatra fitsarana ambony na tsia.




Andravoahangy
Mpaka sary mirahalahy notanana am-ponja
Mpaka sary mirahalahy avy eny Andravoahangy, ny zoma teo, no indray notanana am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora. Voarohirohy ho nanolana zaza tsy ampy taona sy niray tsikombakomba tamin'ny fakana sary mamoafady.
Zazavavy 15 taona, mpanampy fianakaviana iray mipetraka amin'iny faritra iny, no nanaovan'izy ireo izany herisetra mamoafady izany. Nandeha nanary fako ity zazavavy ity tamin'izay fotoana izay no nosakanan'izy ireo. Nadalainy hakana sary ka rehefa tafiditra tao an-trano dia nanaovan'ny iray tamin'izy ireo herisetra.
Niditra tampoka ny faharoa, niaraka tamin'ny fakan-tsary ka nanapipika ny fitaovany tamin'ity zazavavy nanaovan-kerisetra. Nambaran'ity niharam-boina mazava tsara tamin'ireo polisy fa sady norahonany hovonoina izy, indrindra fa raha miteniteny amin'olona.
Rehefa afaka andro vitsy anefa, ny 16 marsa teo, dia nitaraina ho narary ilay zazavavy. Ny fitaovam-pananahany mihitsy no nitarainany ho naharary azy, misy mivonto. Tonga dia nentin'ireo olona nipetrahany tany amin'ny mpitsabo izy ka teo no nahalalana, fa voaolana izy. Nametraka fitarainana tany amin'ny polisy ireo olona nipetrahany. Nosamborina izy roalahy ary ny zoma teo izy ireo no voatana am-ponja.




Ampefiloha
Tovolahy iray matin'ny fisotroan-toaka
Tsy tana ny ain'ilay tovolahy, manodidina ny 28 taona eo, mamon-java-pisotro misy alikaola, ny alin'ny alahady teo, teny Ampefiloha. Ny fokonolona teo an-toerana raha nahita azy nitsirara teo amin'ny arabe no nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Efa ora maromaro mantsy izy no hitan'ny mponina teny an-toerana nivalampatra. Ary tsy nivadika fa sahala amin'ny nahitana azy tamin'ny voalohany ihany no nahitana azy mandrapaharivan'ny andro.
Niezaka nanao ny fitsaboana rehetra ihany anefa ireo mpitsabo tao amin'ny sampam-pitsaboana ny voapoizina teny amin'ny HJRA Ampefiloha. Saingy tsy tana ny ainy.
Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy na dia kely aza. Tee-shirt miloko fotsy no nanaovany izay nosaronany lobaka maitso antitra teo ivelany. Pataloha jean somary efa vasobasoka kosa no ambaniny. Tsy mikiraro. Olioly volo ilay tovolahy ary somary mainty fihodirana. Mampandre izay fianakaviany na izay mahafantatra azy ny hopitaly HJRA mba hanatona sy haka ny razana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mahabo Morondava - Mpitaingina moto roalahy voatifitra . Maty tsy tra-drano ireo mpitaingina moto notifirin'ny jiolahy tao Mandabe Mahabo, amin'ny faritr'i Morondava, ny 4 marsa teo. Raha ny fanazavana azo dia hetraketraka no nanaovan'ireo olon-dratsy izany, satria tsy nisy zavatra very teny amin'izy roalahy, na ny moto-ny aza. Olona efatra no voasambotry ny zandary mikasika ity raharaha ity.
Mandoto - Jiolahy mpanafika fiara tratry ny zandary. Tra-tehaky ny zandary ny faran'ny herinandro teo ireo andian-jiolahy mpanafika fiara mpitatitra amin'iny faritr'i Mandoto iny. Dimy lahy no tratra, ary raha ny voalaza dia mponina avy ao amin'ity kaominina ity ihany izy ireo. Mikisaka 500 metatra miala ny faritra misy azy izy ireo vao manao ny ataony.
Hopitaly HJRA - Olona efatra namono tena. Lehilahy roa sy tovovavy roa no indray notsaboina tao amin'ny HJRA Ampefiloha ny faran'ny herinandro teo, noho ny fihinanana poizina. Fanafodim-biby, vato-na briquet, fanafody chloroquine, izany no voalaza fa natelin'izy ireo. Voalaza fa olana ara-piainana no nahatonga azy ireo nanao izany.
Mpivarotra amoron-dalana - Nanao be midina ny kaominina. Nirotsaka niaraka tamin'ny fiara mangabe, nanara-maso sy nandroaka ny entan'ireo mpivarotra amoron-dalana omaly, ny tao amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Analakely, Anosy ary Tsaralalàna no notetezin'izy ireo tamin'izany.
Nangonin'i




Hafatry ny tambanivohitra
Miara-manesika ny vomanga nasisiky ny tanany isika Malagasy izay nametraka ireo mpitondra eo ankehitriny.
Alao ambony ary diniho tsara ity lafiny 7 izay isa masina ity, nandritra ny fotoana nitondran'ireo nifandimby nanomboka tamin' ny taona 1991.
Zafy (1992-1996):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 300 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 3 500 ariary.
3- Mino an'Andriamanitra ve ny mpitondra? Eny
4- Nanao ramatahora sy kely tsy mba mamindro ary didy jadona ve ny mpitondra? Tsia.
5- Manararao-pahefana mba hananan-karena ve ny mpitondra? Tsia
6- Nahantra ve ny vahoaka malagasy, ary ho anareo any an-dafy, ny havanareo tafajanona eto ve nihatsara ny fari-piainany : Nahantra.
7- Afaka milaza ny hevitrao eny am-pahibemaso na ao amin'ny radio sy television-mpanjakana ve ianao ka tsy matahotra ho voasambotra : Eny.
Ratsiraka (1997-2001):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 600 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 4 000 ariary.
3- Mino an'Andriamanitra ve ny mpitondra ? Eny.
4- Nanao ramatahora sy kely tsy mba mamindro ary didy jadona ve ny mpitondra? Eny.
5- Manararao-pahefana mba hananan-karena ve ny mpitondra? Eny
6- Nahantra ve ny vahoaka malagasy, ary ho anareo any an-dafy, ny havanareo tafajanona eto ve nihatsara ny fari-piainany : Nahantra sy fadiranovana.
7- Afaka milaza ny hevitrao eny am-pahibemaso na ao amin'ny radio sy television-mpanjakana ve ianao ka tsy matahotra ho voasambotra : Tsia.
Ravalomanana (2001-200...):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 1200 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 5 000 ariary.
3- Mino an'Andriamanitra ve ny mpitondra? Eny
4- Nanao ramatahora sy kely tsy mba mamindro ary didy jadona ve ny mpitondra? Eny.
5- Manararao-pahefana mba hananan-karena ve ny mpitondra? Eny
6- Nahantra ve ny vahoaka malagasy, ary ho anareo any an-dafy, ny havanareo tafajanona eto ve nihatsara ny fari-piainany : Nahantra sy fadiranovana.
7- Afaka milaza ny hevitrao eny am-pahibemaso na ao amin'ny radio sy television-mpanjakana ve ianao ka tsy matahotra ho voasambotra : Tsia.
Raha mahatsapa tena fa tsy voakasiky ny iray amin'ireo zavatra 7 izay isa masina ireo ianao dia ario ary aza vakiana akory ity resaky ny tambanivohitra ity.
Fa raha hitanao fa miantraika aminao ny voalaza etsy ambony, dia mba manontania tena hoe avela hifandrafy sahala amin' izao ve ny Malagasy?
Jonathan Rakotomalala




Anjanahary
Talen-tsekoly voatafika
Talen-tsekoly iray no notafihin'ny jiolahy teny Anjanahary, omaly maraina. Napoakan'izy ireo ny basiny ary noendahiny ilay tale.
Nirefotra indray ny basin'ireo jiolahy teny Anjanahary, omaly maraina. Raha ny fanazavan'ny mponina eny amin'ny manodidina, dia talen-tsekoly tsy miankina amin'ny fanjakana iray tao an-toerana no notafihin'ny jiolahy.
Avy tao amin'ny biraony izy ary andeha hamonjy ny fiarany, izay nipetraka tamin'ny sisin-dalana. Tsy tonga teo amin'ny fiarany akory izy dia ireo lehilahy efatra no indray teo anoloany.
Nanapoaka basy indray mandeha izy ireo ary tonga dia namatratra teny amin'ilay talen-tsekoly. « Somary mbola niresaka kely tamin'ny mpiambina ny sekoly ilay tale teo am-bavahady, ka teo no namelezan'ireo jiolahy mpanafika azy », hoy ireo nanatri-maso.
Basy kilalao
Tsy fantatra mazava izay zavatra lasan'ireo jiolahy teny aminy tamin'io fotoana io, satria tsy tratranay teny an-toerana ilay tale, ireo mpiasa tao aminy rahateo tsy nety nanome fanazavana bebe kokoa. Fa raha ny filazan'ireo olona teny amin'ny manodidina dia firavaka volamena teny an-kodiny no lasan'ireo olon-dratsy.
Nilaza ireo mponina teny an-toerana fa tsy dia mafy be ny fipoahan'ilay basy ary tsy nanako toy ireny feom-basy tena izy ireny. « Somary nalefaka ny feony. Nisy setroka kely nivoaka anefa teo amin'ilay toerana nipoahan'ilay basy, mety ho teo amin'ilay vavabasy nivoahan'ny bala. Ka mety ho basy kilalao no nentin'ireo jiolahy », hoy ity raim-pianakaviana iray.
Tsy nahetsika ihany koa ilay mpiambina ny sekoly, satria nambanan'ireo jiolahy ny basy. Saingy tsy nataony na inona na inona.
Niseho endrika avokoa ireo jiolahy nanafika teny an-toerana, raha ny fanazavan'ireo nahita, nefa tsy nisy tratra na dia iray aza.
Nosoritan'ireo mpitandro ny filaminana fa anisany faritra tena atahorana tokoa raha iny manodidina an'Anjanahary iny. Tsy mitazam-potsiny izany anefa izy ireo, fa mandray ny andraikiny amin'ny asa tandrify azy, toy ny fametrahana olona tsy tapaka eny an-toerana sy ny fivezivezena eran'ny tanàna.
Kanefa na izany aza dia mangataka ihany koa izy ny fanomezan-tanana avy amin'ireo fokonolona, amin'ny fanomezam-baovao azy ireo.





Famonoan-janaka
Dimy taona an-tranomaizina
Nohelohin'ny fitsarana heloka bevava higadra dimy taona an-tranomaizina, omaly, ilay renim-pianakaviana, R. Blandine, voampanga ho ninia namono nahafaty ny zanany menavava, tany amin'iny faritr'i Talata-Volonondry iny, ny 19 aprily 2007 vao mangiran-dratsy.
Araka ny voarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady, dia tany an-davapiringan'ny sekoly ao an-tanàna, no nandatsahany an'ilay zanany menavava. Ny rà niparitaka teo amin'ny faritra manodidina an'ilay lava-piringa sy ny feon-jaza nitomany tao anatiny no nanaitra ny olona tao an-tanàna. Novonjena ilay zaza. Saingy tsy avotra mihitsy na dia noezahina novelomina aza ilay zazakely.
Nolavin'ity renim-pianakaviana ity ny fiampangana azy raha nohadinin'ny mpitsara izy. « Narary aho ka tsy tompon'ny tenako intsony ary tsy nisy fantatro ny zavatra rehetra », hoy izy. Niaiky izany kosa anefa izy raha nanontanian'ny mpiaro azy. « Ekeko ny fiampangana ahy ho namono nahafaty ny zanako. Saingy tsy fanahiniako ilay izy ary tsy nampoiziko », hoy ny nanampiany ny teniny.
45 taona ity renim-pianakaviana ity ary raha ny voalaza dia efa niteraka telo izy talohan'ity zaza novonoiny ity.
« Niaiky izy, koa angatahinay ny fampiharana ny sazy aminy », hoy ny teo amin'ny Fampanoavana ambony. Ary dia nihatra tokoa ny sazy famaizana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanolanan-janaka - 20 taona an-tranomaizina. Ny zana-badiny, zazavavy kely vao 9 taona monja, no nohetraketrahan'ity raim-pianakaviana, ny taona 2007 teo, teto an-drenivohitra. Nandà ny fiampangana azy izy teo amin'ny fitsarana. Nambarany fa fikitikitihana fotsiny no nataony an'ilay zaza fa tsy mbola nisy firaisana. Nambaran'ny mpitsabo anefa fa simba be ilay zaza. Dia nampiharin'ny fitsarana taminy ny sazy henjana.
Ambohimalaza - Tovolahy nosaziana am-ponja. Famonoana sy fandratrana olona nitarika fahafatesana no niampangan'ny fitsarana heloka bevava an'ity tovolahy iray, Miarison Iandrinirina, monina ao Ambohiboahangy-Ambohimalaza. Namany efa mamon'ny zava-pisotro misy alikaola no nampiharan'ity tovolahy ity ny herisetra. Niankarapoka tamin'ny vato ilay namany ka afaka dimy andro nitsaboana azy tany amin'ny hopitaly, dia namoy ny ainy.
Asa ratsy - Mpiasa an-trano voasoloky. Ranomaso eran'iny faritr'i Mahamasina iny ny an'ity mpiasa an-trano vavy iray, handeha hody any aminy, any amin'iny faritra atsimon'Antananarivo iny, ny faran'ny herinandro teo. Tratry ny mpisoloky teny an-dalana handray fiara, ka nafoy daholo na vola hatao saran-dalana na ny fitafiana kely. Vehivavy roa, izay efa kalaza amin'ny fisolokiana, no namely azy. Eo am-pikarohana ny olon-dratsy ny polisy amin'izao fotoana.
Nangonin'i




Fanolanana
Rain-jaza voaheloka mandrapahafatiny
Nohelohin'ny fitsarana hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany. Teny Ankadiefajoro Ambohimangakely no nisehoan'izany.
Sazy henjana, asa an-terivozona mandrapahafatiny, omaly, no nampiharin'ny fitsarana heloka bevava tamin'ilay raim-pianakaviana iray, Ramanamidona Gabriel, izay nahavita nanolana ny zanany vavy kely vao valo taona monja.
Niaiky izany soa aman-tsara teo anatrehan'ny fitsarana izy tamin'ny famotoran'ny mpitsara azy. « Mamo aho tamin'io fotoana io dia tsy tsaroako intsony izay nataoko », hoy izy.
Niara-natory taminy tamin'io fotoana io ny zanany. Nambaran-dranamana fa nisaraka izy sy ny vadiny ka izay no nahatonga azy hiara-natory tamin'ireo zanany kely. Telo mianadahy ny zanak'i Gabriel ka zanany vavy matoa io nanaovany herisetra io.
Ny alin'ny 11 septambra 2006 no voalaza fa nanatanterahan'ity raim-pianakaviana ity izao fanolanana an-janany izao, tao Ankadiefajoro Ambohimangakely. Niezaka ny nanafina izany ihany ilay zaza tany am-boalohany. Saingy noho ny aretina sy ny fangirifiriana nahazo azy dia nibaradaka tamin-dreniny sy tamin'ireo fianakaviany ihany izy. Ary izay no nampipoitra ny raharaha. Ilay zaza moa tsy nipoitra teo anoloan' ny fitsarana fa dia ilay rainy voampanga ihany no nijoro teo.
Raha ny fanazavana nomen'ny mpisolo vava iray, araka ny voalazan'ny andininy 302 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana, dia sazy henjana toy izao no miandry ireo havana akaiky na olona mitaiza an'ilay zaza ka manao fihetsika mamoafady aminy toy izao. Misy fanararaotana ny fifankazahoana am-po eo amin'ilay zaza mantsy ao anatiny, ka izay no tsy andeferan'ny lalàna amin'izy ireny. Tafiditra ao anatin'ny heloka bevava, araka izany, ny raharaha. Ary dia mampihatra izany ny fitsarana.




67 ha
Jiolahy telo nohelohin'ny fitsarana
Nohelohin'ny fitsarana heloka bevava avokoa, omaly, ireo jiolahy telo nanafika sy nitifitra teratany afrikana teny amin'ny 67 ha, ny 18 jona 2006. Ny iray tamin'izy ireo, Razafimahandry Jean Pascal, dia voaheloka hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny fa ireo roalahy namany kosa, Ramiadamanana Fanomezantsoa Maminiaina sy Ravelomampandry Sitraka, dia voasazy hanao asan-terivozona mandritra ny 20 taona.
Fiampangana efatra sosona no indray niandry azy ireo teo amin'ny fitsarana. Halatra, fampiasana fitaovam-piadiana, famoronana fikambanan-jiolahy ary vono sy ratra niniana. Notifirin'izy ireo mihitsy mantsy ilay teratany vahiny tamin'ny fanafihana nataon'izy ireo. Soa ihany anefa fa nisolifatra teo amin'ny handriny ilay bala ka naratra fotsiny izy.
Valizy kely iray nisy vola 3 000 000 ariary sy firavaka volamena samihafa ary fitafiana isan-karazany no voalaza fa lasan'ireo jiolahy tamin'izany. Ramiadamanana Fanomezantsoa Maminiaina irery moa no niatrika ny
fitsarana azy tamin'izy telolahy ka namoahan'ny fitsarana didy fampisamborana, araka izany, ireo namany roa, izay voalaza fa nitsoaka ny fonja nihazonana azy.




Andranotapahina
Tsy misy fitoriana momba an'ilay karana maty
Herinandro rahampitso izao no nahitana ny fatin' ilay karana mpandraharaha iray, Sayed Zakir Abasse, maty nisy namono ary nariana teny amin'ny ranon'Andranotapahina. Hatramin'izao, raha ny vaovao re teo anivon'ny mpitandro ny filaminana dia tsy mbola misy fitoriana mipetraka tonga eny amin'izy ireo mikasika azy ity.
Ny vadiny rahateo sy ny fianakaviana akaiky azy moa voalazan'izy ireo fa samy tsy misy mipetraka eto Madagasikara fa any ivelany avokoa. Na izany na tsy izany dia voalaza fa efa mahafantatra tsara ny fahafatesan'ity karana ity ny vadiny.
Mikasika ny razana moa dia ny fikambanam-pivavahana, misy azy, ny Kodja, no efa nandray an-tanana sy nikarakara azy.
Na dia eo aza anefa izay tsy fisian'ny fitoriana izay, satria vonoan'olona no mitranga dia tsy mijanona amin'izao ny mpitandro filaminana fa tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra manatanteraka ny fanadihadiana rehetra.
Olona maromaro, araka izany, no fantatra fa efa nohainoina, nanaovan'izy ireo fanadihadiana. Saingy nanambara ireo mpanao famotorana fa tsy mbola misy azo ambara noho ny fahasarotan'ny raharaha, eo ihany koa ny tsiambaratelon'ny famotorana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankadifotsy - Jiolahy efatra saron'ny polisy. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ireo jiolahy voarohirohy tamin'ilay fanafihana mpivady mpivarotra teo Ankadifotsy Befelatanana, herinandro vitsy izay. Efa-dahy no voasambotra izay voalaza fa ahiana ho mpanao fanafihana amin'iny faritra iny.
Fjkm Anosivavaka - Hitarina ny trano fiangonana. Hibanjina zava-dehibe amin'ny fanitarana ny fiangonana ny Fjkm Anosivavaka. Efa tsy omby an'ireo mpivavaka ao aminy intsony mantsy ny fiangonana ankehitriny. Efa vita ny dingana voalohany amin'izany dia ny fifampiraharahana amin'ireo tompom-pasana eo akaikin'ny fiangonana.
Nangonin'i




Menatra ny hody ve ny Malagasy any an-dafy ?
Lasa resaka indray tato ho ato ny hoe tsy mety mitodi-doha an-tanindrazana ny Malagasy any an-dafy fa menatra noho ny fiainany any :
tsy manana anton'asa, tsy manan-trano fa mikilandy any aman'olona, tsy mahavita fianarana fa ilaozana mikirimba etsy sy eroa fotsiny.
Tsy mety miseho amin'ny mpiray tanindrazana aminy fa sao dia hoe hitarazoka any aminy rehefa sendra mandalo any an-dafy, tsy sahy mifanena amin'ny mpiray tanindrazana aminy satria hono menatra amin'ny fitafiana tsizarizary anaovany nefa mba hoe any an-dafy.
Aleo angaha atao hoe mahatsikaiky ny fiheverana toy izany. Tena mahalala marina ny fomba fiainan' ny tsirairay any an-dafy va re ny olona mitompo teny fatratra amin'izany ê ? Tena nandinika tsara ny zava-hitany va re izay milaza fa izany no tena marina ?
Tiana angamba aloha ny hanazavana ny sain'ny mpamaky fa isika Malagasy rehefa miteny hoe any an-dafy dia mazàna i Lafrantsa no tonga ao antsain'ny tsirairay voalohany. Izany no miseho dia satria nolovantsika tamin'ny fananjanahan-tany ny hoe : Lafrantsa dia any an-dafy, hoany an-dafy dia i Lafrantsa izay, hoany am-pita dia i Lafrantsa izany, hoany amin'ny Tsotsoka.
Fa amin'izao fotoana raha miteny hoe hoany Zamerika dia hoany amin'i Bekintana, raha ho any Allemagne dia hoe ho any amin'i Rainiboto, raha ho any Angeletera dia hoe ho any amin'i Ranglisy, raha ho any Chine dia ho any amin-dry Kelimaso...sy ny sisa sy ny sisa hafa.
Tsy misy afaka ilaza fa tena marina tanteraka ny hoe menatra ny hody. Tsy misy mahalala izay tena any an-tokatranon'ny tsirairay any na dia samy Malagasy any am-pitandranomasina aza. Marina aloha fa ikohizana mihitsy ny Malagasy mifampiolonolona ao an-drenivohitr'i Lafrantsa ao, ny any an-kafà toa tsy dia mbola tonga amin'izany samy maka ho azy izany, raha araky ny resaka haino sy ny hita maso.
Aleo angaha hafohezina ny tafa fa raha ity resaka Gasy any an-dafy ity no dinihana dia na gazety iray manontolo na fandaharana adiny telo ao amin'ny fahita-lavitra aza tsy ho ampy. Noho izany dia izao re no izy, tompoko : tsy menatra ny hody an-tanindrazana ny Malagasy any am-pita fa sarotra ny fiainana ka izay kely azo tsitsina avokoa mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika.
Tsy menatra ny hody ny Malagasy any am-pita satria na sahirana toy ny inona aza izy dia misy ny azo ifidianana eo amin' izay ilaina. Tsy menatra ny hody izy fa mba manararaotra ny fitsaboana izay ikoizan'ny firenen-kafa amin' ny fikarakarana ireo tsy manan-katao amin'ny lafiny fiarovana sy fitandrovana ny fahasalaman'ny tsirairay (sécurité sociale).
Rakotobe Jean François




Ankadindramamy
Voaheloka ilay ray nanolana ny zanany
Raim-pianakaviana iray indray no voaheloka hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny. Voampanga ho nanolana ny zanany vavy kely roa.
Tsy mitsitsy tokoa ny fitsarana amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ireo raim-pianakaviana mahavita herisetra mamoafady amin'ny zanany vavy. Raim-pianakaviana iray indray mantsy, omaly, Ratoandro Nestor, tao amin'ny fitsarana heloka bevava, no nohelohin'ny fitsarana hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny. Voampanga ho nanolana ny zanany vavy.
Zanany vavy telo no indray niampangana azy tamin'izany, tao anatin'ny antontaratasin'ady. Saingy ny zanany vavy iray, noho ny taratasin'ny mpitsabo milaza ny mbola fahadiovany, dia nahazoany fahafahana noho ny fisalasalana, fa ireo roa vavy kely zokiny, 14 sy 16 taona, no nahazoany an'io sazy henjana dia henjana io.
Ny teo amin'ny Fampanoavana ambony mihitsy no nitaky tamin'ny fitsarana ny fampiharana ny sazy ho azy satria nambarany tamin'ny fandaharany fa tsy misy antony manery an'ireo zaza ireo hanendrikendrika ny rainy. « Na dia noferana sy norahonana ihany koa aza ireo zaza ireo, misy foana ny fotoana tsy maintsy mampipoaka ny sarom-bilany », hoy izy nanindry sy nanohana ny fanazavan-keviny.
Marihina fa niara-voampanga tamin'ity raim-pianakaviana ity ihany koa tamin'izao tarehin-javatra izao ny vadiny. Voampanga ho niray tsikombakomba taminy, noho izy tsy niraharaha firy ny fitarainan'ireo zanany raha niteny taminy izy ireo. Entitra ihany koa ny teo amin'ny Fampanoavana momba azy.
« Tsy nijery ny ho avin' ireo zaza ireo ny reniny. Mahafantatra ny toe-draharaha, nefa dia minia mandamina izany. Takianay ny fampiharana ny lalàna aminy ». Saingy na izany aza ny takin'ny Fampanoavana ambony, nomen'ny fitsarana fahafahana noho ny fisalasalana izy.
Nambaran'ny mpiaro azy mantsy (an'ity renim-pianakaviana) fa sanganehana ihany ity renim-pianakaviana ity amin'ny zava-misy. « Tsy hitany izay hatao, ny iray vady niterahana, ny ankilany zanaka nateraka ». Ary izay no nangatahiny fahafahana noho ny fisalasalana ho azy.
Henjana tokoa ny fitsarana ity raharaha ity satria tsy vitan'ny nohenoin'ny fitsarana fotsiny ihany ireo zaza telo fototry ny raharaha, izay nijoro teo amin'ny toeran'ny vavolombelona, fa nampanaovina fifanatrehana mihitsy nanamarinana tsara ny fizotry ny raharaha. Ary dia nitovy avokoa ny valin-tenin'izy telo vavy.
Gina tsy nahateny ary nitanondrika fotsiny sisa no nataon'ilay renim-pianakaviana teo am-pandrenesana ny didim-pitsarana.
Marihina fa ny anadahin-drenin'ireto zaza ireto, no nilatsaka ho mpitory tamin'ny raharaha.




Ambohimandroso
Fiara nifandona nahafaty olona 14
Ain'lona efatra ambin' ny folo no indray nafoy tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny, tao Antsentsindranonintaolo tao Ambohimandroso, distrikan' Antanifotsy, omaly maraina vao mangiran-dratsy. Kamiao lehibe iray no nifandona tamina fiara mpitatitra Mazda. Ary saika tao anatin'ity Mazda ity avokoa ireo niharan-doza ireo.
Mpandeha dimy ambin' ny folo izy no tao anatin'ity Mazda ity, ary saika tapitra ringana avokoa, satria tsy nisy afa-tsy mpandeha iray sisa velona.
Io aza, raha ny fanazavana nomen'ny mpitsabo tao amin'ny hopitalin'Ambatolampy izay nitondrana azy, mbola tsy mahatsiaro tena ihany koa.
Marihina fa nisy mpitsabo avy ao amin'ny sampana vonjy aina avy ao amin'ny HJRA Ampefiloha mihitsy, niaraka tamin'ny ambulance roa no indray nalefa tany an-toerana.
Avy aty an-drenivohitra hihazo an'Antsirabe ity fiara Mazda ity. Ilay kamiao kosa andeha hiakatra ho aty an-drenivohitra. Raha ny fanazavan-dRakotovahoaka Pascal, dia andeha hisongona an' ilay fiara Mazda teo alohany ny mpamilin'io kamiao io no nifanehatra tamin'ilay fiara Mazda.
Naratra mafy tratry ny herin'ny fifandonana ihany koa moa ilay mpamilin'ilay kamiao. Marihina fa mpiasa andeha hila ravin'ahitra any Vangaindrano ireto niharan-doza nentin'ilay fiara Mazda ireto.




Fanodinkodinam-bola
Delegem-panjakana voaheloka dimy taona
Asa an-terivozona mandritra ny dimy taona no sazy nampiharin'ny Fitsarana heloka bevava an'ilay delegem-panjakana niasa tao amin'ny kaominin'i Talatamaty, Mamiarisoa Daniel, voampanga ho nanodinkodina volam-panjakana. Vola mitentina 129 tapitrisa ariary no voatonona teo amin' ny fitsarana ho nalainy tamin'izany.
Niaiky ny fiampangana azy ny lehilahy fa tsy nanasaro-javatra.
Ny fanjakana malagasy no nitory tamin'ny raharaha, ary ny Inspection générale de l'État no nirotsaka an-tsehatra nanao ny fanadihadiana teny an-toerana.
Nohazavain'ny solontenam-panjakana izay nijoro teo anatrehan'ny fitsarana tamin'izany fa tokony ho 167 tapitrisa ariary ny vola niditra tao amin'ny kaominina teo anelanelan'ny volana mey 2005 ka hatramin'ny volana septambra 2006.
Rehefa natao anefa ny fanamarinana dia tsy nisy afa-tsy 37 tapitrisa ariary fotsiny no nosoratany tao amin'ny bokim-bola. Ary dia izay no nahavoasaringotra azy tamin'izao raharaha izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Moramanga - Fiaramanidina kely nianjera. Vao hiainga ilay fiaramanidina kely 5 RMLS dia nitrosona nianjera tamin'ny tany, tao Moramanga, afak'omaly tolakandro. Tsy nahatohitra ny rivotra sy ny orana. Fiaramanidina
an'olon-tsotra izy ity. Olona efatra no tao anatiny, teratany afrikana tatsimo roa sy malagasy roa. Samy tsy nisy naninona avokoa moa izy ireo. Nisy fahasimbana, kosa ilay fiaramanidina.
Moramanga - Mpiasan'ny fahasalamana efatra hiakatra fitsarana. Ho tsaraina anio, ao amin'ny tribonaly ao Moramanga ny raharahan'ilay renim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny fandidiana natao azy tamin'izy niteraka. Mpiasan'ny fahasalamana efatra avy ao Moramanga, ahitàna dokotera mpandidy sy gynécologues, no voarohirohy amin'izany. Nahitàna servieta roa mantsy tavela tao anatin'ny tranon-janak'ity renim-piakaviana ity. Ary lo tao ireo ka nitarika fahafatesana ho azy.
Fanavahana omby - Saika nifandona ny miaramila sy ny zandary. Raha nisy kely foana dia nifanjevo tao Andohavary amin'iny faritr'Ankazobe iny ny miaramila sy ny zandary. Resaka omby very izay tonga tany amin'ny fanavahan'omby no fotony. Ilay tompon'omby very nitondra vadin-tany sy zandary telo lahy, ary ilay nahatrarana omby ka nanaovana fanavahana, nitondra vadin-tany sy miaramila kosa.
Nangonin'i




Fanompoana ny fivavahana
NASOLO-VALIAVO Andriamihaja
Na ankaratsiana na ankafaliana, dia mazàna tsy maintsy mandalo fiangonana ny lanonana ankehitriny. «Ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra» araka ilay fiteny mahazatra. Tsy vitsy ny ray aman-dreny miteny hoe «araka ny fomban-drazana». Ka eo mihitsy no ihavian'ny fanafintohinana.
Ny finoana moa samy manana ny azy na dia tsy hanana mihitsy koa aza. Roanjato taona lasa fotsiny, izany hoe tamin'ny andron' Andrianampoinimerina (1785-1810), dia tsy fantatry ny Gasy akory izany hoe miditra fiangonana izany. Tsy mbola nisy fiangonana akory mantsy teto na dia iray aza. Izay no tsy maintsy hampatsiahivana ny tantara mba tsy hitenenana fahatany ankehitriny.
Tamin'ny 1869 tokoa mantsy vao nirona tamin'ny fivavahana kristiana Ranavalona II sy Rainilaiarivony ary noho ny rafi-piaraha-monina tamin'izany fotoana izany dia nahatsiaro tena ho tsy maintsy manaraka ny safidin'ny Lehibe ny vahoaka manontolo. Teraka tamin'izany andro izany sahady ny teny hoe «rebik'ondry» noho ireo olona an'aliny, amana hetsiny, nivadi-pinoana ka nanaraka anjambany ny Mpanjaka sy ny Praiministra.
Tamin'ny andron-dRanavalona Reniny (1828-1861), dia tsy mbola nisy izany «fanompoam-pivavahana» izany, na ankafaliana na ankaratsiana. Raha nodimandry, ohatra, Rainiharo tamin'ny 1852, dia ny soron'omby aman'aliny no tadidin'ny Tantara fa tsy ny «fanompoam-pivavahana». Ny tantaran'ny fanafenana an-dRasoherina (1863-1868) dia tsy nahitana soritra velively ny «fanompoam-pivavahana».
Iniako averimberina io teny hoe «fanompoam-pivavahana» io mba ahatsapana ny «fomban-drazana» tamin'izany andro izany. Ankehitriny mantsy vao novana hoe «fotoam-pivavahana» izay noheverin'ny vahoaka fahizay ho fanompoana fanampiny manaraka ny sitrapon' Andriana. Tamin'izany andro izany tokoa dia «fanompoana» ny fikarakarana ny fefiloha, «fanompoana»ny fanajariana an'i Betsimitatatra, «fanompoana» ny fandatsahana ny zaza an-tsekoly, «fanompoana» vaovao ny famonjena fiangonana isan'Alahady.
Ialana tsiny tokoa amin'ireo lahiantitra sy vaviantitry ny taona 2008, tokony teraka sahabo ny taona 1910-1920. Vonton'anatra tao amin'ny fivavahana kristiana tokoa ry zareo ireny, satria ny raiamandreniny dia ireo voalohany indrindra «nanompo» fivavahana nanaraka ny rebik'ondry tamin'ny 1869. Ohatra, misy amin'ireo razambeko, Andrianifahanana izay no anarany, tondroin'ny Firaketana ho isan'ny nanorina ny fiangonana Ambohidratrimo tamin'ny 1878 (misy takela-pahatsiarovana izany ao Ambohidratrimo). Hahagaga ve ary raha ny renibeko, izay zafikelin-dRangahy io, hanao ho «fivavahan-drazana» ny fanompoam-pivavahana kristiana ?
Tsy hifanomezan-tsiny velively saingy ny razana sy ny tantara mitamberina lavitra mihoatra ny roanjato taona lasa. Tsy nandalo fiangonana ny Antehiroka raha nampaka-bady. Tsy nandalo fiangonana ny Andriana raha nahazo fanjakana. Tsy nandalo fiangonana ny Andafiavaratra raha nandevina
an-dRainiharo. Samy manana ny fombany ho'aho ny olona e !




Nisy lalao baolina goavana teny Mahamasina
Vitsy ny mpividy tapakila ara-dalana hampandrosoana ny federasiona FMF, ...
... fa lasa teny Ambonin' Ampamarinana sy Andrefan' Ambohijanahary daholo ny hakamaroan' ny mpijery; samy te «hijery fotsiny» baojo daholo, kanefa koa tsy misy te ho gisitra amin' ny fanakihanana (na fitehafana indraindray).
Hipoka ireny toerana fijeren-davitra ireny, sady «manala azy» ihany eo am-pijerem-baolina (hanalana ny ngidin'ny fiainana): misotrosotro, mihirahira, mandihindihy, ets. Tsy misy fetrany, ... ary dia manao maloto eny amin'ny manodidina eny koa aza (jereo http://jentilisa.blaogy.com/)
Mitsitokotoko ny mpijery ara-dalana (nandoa vola) eny amin'ny gradins.
Ny manan-kaja sy ny manana ny ampy moa mba nisy ihany teo amin'ny tribunes. Niditra ny mpilalao (nomena maillots) sy ny mpitsara. Aty Dago moa ny lalao, koa dia niova tanteraka ny fitsipika.
Tsy afaka masiaka loatra ny mpitsara sao dia hidinan' ireo mpijery maro avy eny ambony havoana ireo raha vao tsy azoazony ny fitondrana ny lalao.
Koa dia nisy ary ny mpilalao sasany no nifidy ho eny amin'ny gradins koa, fa mba hoe te hijery tsara ny ataon' ny sasany koa (na namany, na mpifanohitra). Angaha tsy hafahafa, satria lasa tsy ampy isa ny mpilalao na ny andaniny na ny ankilany, koa dia naka zorony vetivety ireo mpitsara sy ny «commissaires au match» avy any ivelany. Nikaon-doha ny fomba hanohizana ny lalao mba hahafa-po ny maro an' isa.
Ny mpanao gazety moa dia nirotsaka ho «mpitantara mivantana» teny daholo (marihina: tsy afaka manao fanadihadiana lalina moa amin'izany, fa izay hita eo sy tsaho mandeha sy sendra re no lazaina avy hatrany).
Dia nalefa haingana ity lalao vita malagasy ity, sao dia miandry ela loatra ireo «mpijery» karazany roa, nohatevenin' ny mpilalao sasantsasany. Raha tsy izay mantsy dia tsy ho hay izay mety hiseho eo. Ireo mpijery, na ny nifidy ny toerana avo lavitra na ireo eny amin'ny gradins moa dia samy nitondra radio avokoa mba hanarahana ny vaovao momba izay «miseho eny ambony kianja» (izay hitan' ny «mpitantara» mantsy e). Tsy dia fantatra marina izay votoatiny ilay fikaonan-doha moa, ary dia samy milaza izay heveriny fa marina daholo ny «mpanao gazety» tonga maro teny.
Ny mpitsara hay moa, noho ny maha tsy an'ny atsy na ny aroa azy, dia nanapa-kevitra fa afaka mampidi-baolina amin'izay tsato-by akaiky azy indrindra fotsiny rehefa mahazo baolina.
R. Allain




Fonjan'i Tsiafahy
Nirefotra ny basin'ny mpiandry fonja
Nirefotra ny basin'ireo mpiandry fonja tao Tsiafahy, omaly antoandro. Détente-na basy voakitika tampoka teo am-panaovana famindran'asa no nahatonga izany. Soa tsy nisy olona voa.
Hatairana indray, afak'omaly antoandro teo amin'ny iray ora sy folo minitra teo, ny an'ireo fokonolona nipetraka teny amin'ny manodidina ny fonjan'i Tsiafahy. Nirefotra tampoka mantsy ny basin'ny mpiandry fonja iray.
« Indray mandeha nipoaka ihany ilay izy. Tao amin'ny fonja tao no nandrenesanay azy. Nandrasana anefa izay ho tohiny tsy nisy. Tsy nisy ihany koa ny tabataban'ireo mpiandry fonja miantso ireo namany ety ivelany hanampy an'ireo tao anatiny. Fa dia nangina tanteraka ny fonja », hoy ny fanazavan'ny manodidina. Nosoritan'ireo nanome ny vaovao fa taitra ihany ireo olona teo akaiky teo nandre an'ilay feom-basy. Nivoaka avy tao an-tranony, nefa rehefa samy niandriandry teo ka tsy nisy tohiny dia samy niditra sy tony avokoa.
« Milamina tsara ny fiainan'ny voafonja ao Tsiafahy »
Nanamafy izay fanazavan'ny olona tety ivelany izay ny tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny fonjan'i Tsiafahy. « Tsy nisy fisehoan-javatra goavana tety Tsiafahy. Mpiandry fonja iray nanao famindran'asa no nahakitika tampoka ny détente-n'ilay basiny. Dia izay no nampisy an'ilay poa-basy », hoy izy.
Nosoritany fa fomba fanao rehefa misy famindran'asa ataon'ny mpiandry fonja, amin'ny maha miaramila azy, ny mizaha ny basy. Atodika any amin'ny lanitra ny loha-basy amin'izany, mba ialana amin'ny trangan-javatra tampoka toy izao. Ary dia tany ilay bala no niantefa. « Tsy nisy naratra, tsy nisy naninona izahay rehetra tato », hoy izy nanipika.
Nosoritan'ity tompon'andraikitra ity, mikasika an'ireo adiadin'ny voafonja tao Tsiafahy, fa efa milamina tsara ny fiainan'ireo voafonja ao an-toerana. « Adiady madinika toy ny "adin'ankizy ao an-trano" no nitranga tamin'ireny, fa tsy misy zavatra goavana tsy akory », hoy izy. Nambarany fa efa nandray ny andraikiny ireo mpiandry fonja ka nosarahan-trano ireo nifanandrina. « Milamina tsara ny fiainan'ny voafonja ao Tsiafahy », hoy izy namarana ny teniny.




Fanadiovana ny tanàna
Mpiasan'ny fivondronana iray no naratra
Voa teo amin'ny masony ary naratra ilay mpiasan'ny tsena iray, nanao ny asa fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana tamin'iny faritra manodidina an'Analakely iny, omaly maraina. Tora-bato tsy nisy farany mantsy no nasetrin'ireo mpivarotra amoron-dalana azy ireo teny Ambodifilao. Nanohitra ireo polisy kaominaly sy ireo mpiasan'ny Fivondronana tanteraka ireo mpivarotra.
Vao nandeha teny Behoririka izy ireo, dia efa notoherin'ireo mpivarotra. Mpivarotra amoron-dalana iray no tsy tratra naka tapa-by teny aminy ka tonga dia nively an'ilay polisy kaominaly teo amin'ny feny. Lasa nandositra izy raha niriotra hisambotra azy ireo polisy kaominaly. « Tsy rariny ny handraofana ny entanay. Aiza ary izahay no hivarotra ? », hoy ny tabatabatan'ireo mpivarotra.
Efa nanomboka ny alakamisy teo mantsy ny tena asa fanadiovana nandraoka ny entan'ny mpivarotra amoron-dalana ity.
Nosoritan'ny Jeneraly Razafindrasata Martin, lehiben'ny polisy kaominaly, tamin'izany fa tsy maintsy irosoana io asa fanadiovana ny tanàna io, na inona ataon'ireo mpivarotra. Mikasika ireo fikasihan-tanana ka nampaharatra ireo mpiasa kaominaly dia nosoritany fa mety hisy ny fisamborana. « Tsy mandrava tsena ara-dalàna izahay akory fa manala ireo tsy ara-dalàna », hoy izy.





Fitsarana
Vava tsy ambina nahazoan-tsazy herintaona
Latsa-dranomaso mihitsy, afak'omaly tao amin'ny Fitsarana heloka bevava tao Anosy, ity raim-pianakaviana iray voampanga ho nanolana ny zanany vavy sy nanao fandrahonana sefom-pokontany teny aminy, teny Ankaraobato Ankadinandriana.
Tsy nampoiziny ny didy nivoaka satria nohafahan'ny fitsarana noho ny fisalasalana izy tamin'ilay fiampangana azy voalohany. Izany hoe fanolanana ny zanany. Fa nosaziana herintaona an-tranomaizina kosa izy tamin'ilay fiampangana faharoa, fandrahonana sefom-pokontany.
Ny 4 janoary teo izy no niditra ny fonja ary rehefa zohiana ny fandehan'ny raharaha dia naman'ny efa nahavita ny saziny sahady izy satria efa nahavita herintaona (mahery roa volana aza) tao am-ponja.
Mikasika ity fiampangana farany azy ity mantsy dia tsy ny sefom-pokontany irery no mitory azy amin'io fandrahonana io fa hatramin'ireo vady aman-janany ihany koa. Milaza mantsy ranamana, rehefa mamo, araka ny fanazavan'ny vadiny teo amin'ny fitsarana, fa raha izay figadrana herintaona tsy raharahany.
Fa rehefa mivoaka ny fonja izy manao valifaty. Tsy mbola nigadra anefa izy tamin'io. Ary dia tonga tamin'ny redirediny fa nihatra taminy tokoa ny fidirana am-ponja. Mbola voasazy herintaona, araka ny teniny, ihany koa.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsimbazaza - Lehilahy naratran'ny jiolahy. Tokantranon'olona iray teny Tsimbazaza no notafihin'ny jiolahy, ny alin'ny alakamisy teo. Naratra novonoin'izy ireo tamin'izany ilay lehilahy tompon-trano. Tafatsoaka ihany anefa ity farany ka teo vao afa-niantso vonjy. Entana maro tao aminy no norobain'ireo jiolahy.
Andoharanofotsy - Zaza latsaka tanaty rano. Hatramin'ny takariva nanoratana ny lahatsoratra, dia tsy mbola hita popoka ilay zaza voalaza fa latsaka tany anaty rano, teny Andoharanofotsy, omaly hariva. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fikarohana azy ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna. Tanimbary nisy lava-pofotra no voalaza fa nilatsahany.
Nangonin'i




Sénatoriales - Région Boeny
Guy Doslain Arvely candidat du TIM
Fin du suspense au sein de la classe politique à Mahajanga. Le candidat à la course à la Chambre haute est connu pour la région Boeny. Le parti Tim propose le chef de région Guy Doslain Arvely pour le représenter aux prochaines élections sénatoriales prévues le 20 avril.
Le chef de région a déposé officiellement sa candidature samedi matin à la vitrine régionale de Madagascar située à Amborovy, immédiatement après un petit point de presse.
«Le président de la République m'a accordé sa confiance et m'a désigné pour être candidat au sénat», explique Guy Dolsain Arvely. Sa qualité de rassembleur lui a valu cette désignation. Il détient surtout une cote de popularité remarquable chez la plupart des maires de la région. Guy Dolsain Arvely les a presque tous choisis ainsi que les conseillers régionaux.
Le chef de région a été choisi par Marc Ravalomanana pour succéder à Max Rakotomalala en juin 2007. Après neuf mois de fonction, il reste à deviner qui lui succèdera ?




Moramanga
Mpitsabo roa voaheloky ny fitsarana
Voaheloky ny fitsarana ny mpitsabo roa, tao amin'ny hopitalin'i Moramanga, noho ny servieta tavela tao an-kibon'ny vehivavy iray nodidiany, ka nitarika ny fahafatesany.
Mpandidy sy manam-pahaizana manokana momba ny vehivavy roa, niasa tao amin'ny hopitaly ben'i Moramanga, no indray nohelohin'ny fitsarana ady heloka tsotra, ny zoma teo, tao Moramanga. Voampanga ho namono, na dia tsy fanahy iniana aza, (homicide involontaire), an-dRandrianarinosy Lanto (27 taona), niteraka tao aminy, izy ireo. Adinony tao an-kibon'ity renim-pianakaviana ny servieta kely roa nampiasainy, nandritra ny fandidiany azy. Nitarika fahafatesana ho azy mantsy izay tarehin-javatra izay satria sivy andro nijanona tao anaty kibony tao, ka sady efa lo no efa namofona.
Sazy herintaona an-tranomaizina, sazy mihantona, no nampiharin'ny fitsarana tamin'izy ireo, miampy fandoavana onitra mitentina folo tapitrisa ariary amin'ny vady aman-janaky ny niharam-boina.
Nahasarika olona maro tao Moramanga tokoa ny fitsarana ireo mpitsabo tao an-toerana. Tsy dia fahita firy mantsy ny fisian'ny mpitsabo miakatra fitsarana, toy izao, noho ny asa nataony. Marihina fa mpitsabo ihany, avy ao amin'ny hopitalin'ny HJRA ao Ampefiloha, no vavolombelona nanambara ny fisian'ny vesatra iampangana an'ireo mpitsabo tao Moramanga ireto. Nisy dokotera mpandidy,
« anesthésiste » ary mpitsabo mpanampy.
Ny 28 janoary teo no nodidiana tao amin'ny hopitalin'i Moramanga Randrianarinosy Lanto, rehefa nisafidy ny hiteraka tao. Tafita tamin'izany izy sy ny zanany. Saingy tsy nety nihena ny kibony ary nahatsiaro ho narary indray izy, roa andro taorian'ny nandidiana azy. Nihanihombo ny aretiny, ka noho ny tsy fisian'ny fikarakarana nahafapo tao amin'ny hopitaly, araka ny fanazavan'ny vadiny izay nitory, no nitondrana azy niakatra taty an-drenivohitra tao amin'ny HJRA.
Nodidiana fanindroany izy, ny 5 febroary, ary teo no nahitàn'ireo mpitsabo ny zavatra tavela tao anaty kibony. Vokatr'izay, na dia natao aza ny fitsaboana rehetra, dia tsy tana ny ainy ny 12 febroary. Nampiakatra ny raharaha ny vadin'ny maty.
Mpiasan'ny fahasalamana telo izy no indray voampanga tamin'izao raharaha izao.




Andoharanofotsy
Kilalaon'ankizy niafara tamin'ny vonoan'olona
Zava-doza no niafaran'ny sangisangin'ireto ankizy mpinamana, amin'iny faritr'Andoharanofotsy iny, ny alakamisy teo. Zazalahikely teo amin'ny valo taona teo mantsy no tsy hita popoka tamin'izany, ka rehefa natao ny fanadihadiana an'ireo namany, nolazainy fa dobo an-drano amin'iny faritr'i Dorodosy manamorona ny lalana By Pass iny, ilay zaza.
Ankizilahikely, teo amin'ny enina teo izy ireo no niaraka tamin'io. Kilalao tolona no nataon'izy ireo tamin'izany, ary teny amoron'ny rano izy ireo no nilalao.
Niakatra teny anivon'ny mpitandro filaminana ny raharaha noho ny fitoriana napetraky ny ray aman-drenin'ilay zaza tsy hita. Voalazan'ireto zaza, tamin'ny fanadihadiana nataon'ny zandary azy, fa notsindrian'izy ireo tao anaty rano ity namany. Ka dobo an-drano tao. Lasa nody haingana izy ireo nony injay tsy nipoitra intsony izy. Ary tsy sahy niteniteny tamin'ny ray aman-dreniny. Saingy ireto farany, rehefa nahatsikaritra ny fanjavonan-janany, no tonga dia nitondra an'ireo naman-janany teny amin'ny biraon'ny zandary.
Ankizy dimy lahy izy no ahiana ho namono azy, izay voalaza fa hatolotra ny Fampanoavana anio maraina.
Efa tonga teny an-toerana ny zoma hariva teo, ny mpamonjy voina avy eny Tsaralala.




Anosibe
Ankizy iray maty nilatsahan'ny varatra
Namono olona indray ny varatra, ny asabotsy hariva teo, tao anatin'iny oram-be nivatravatra iny. Ankizy iray teny Anosibe Angarangarana no maty tsy tra-drano tamin'izany. Roa hafa kosa naratra izay voalaza fa olon-dehibe avokoa.
Trano lehibe iray, nisy rihana roa teny an-toerana ity nilatsahan'ny varatra ity. Nitety ilay trano mihitsy ny varatra. Raha ny vaovao azo, niditra tao amin'ny rihana voalohany izy aloha namely renim-pianakaviana tao. Avy eo nidina tao amin'ny rihana farany ambany ary tao izy no tena nitetitety efitra satria ankizilahikely iray 12 taona, Ranaivomanana Jean Antonio, sy renim-pianakaviana iray no indray nodorany tao.
Ilay ankizilahikely no tena nopetahiny satria dia niankarapoka tsy nahatsiaro tena mihitsy ary namoy ny ainy nony avy eo.
Ilay renim-pianakaviana tao amin'ny rihana voalohany moa voalaza fa mbola tsaboina eny amin'ny hopitalin'i Befelatanana amin'izao fotoana izao. Fa ilay renim-pianakaviana faharoa tao amin'ny rihana farany
ambany no mba tsy dia naninona.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Lalam-pirenena fahafito - Mpiambina minisitra dimy niharan-dozam-pifamoivoizana . Nivadika ambony ambany tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny, tao Sambaina-Antsirabe, ny alakamisy maraina teo, tokony ho tamin'ny 5 ora, ny fiarakodia 4x4 nitondra an'ireo dimy lahy mpiambina minisitra iray. Nivoaka ny làlana ilay fiara ka naratra avokoa izy dimy lahy.
Sabotsy Namehana - Renim-pianakaviana matin'ny savoka. Main'ny afon-tsavoka namboariny, ny zoma alina teo, ity renim-pianakaviana iray, nipetraka eny Sabotsy-Namehana. Nahakasika afo mantsy ilay savoka ka tonga dia nitosaka teny aminy, ary dia izay no nandoro azy. Noezahin'ny fianakaviany nentina tany amin'ny hopitaly izy, saingy tsy tana ny ainy.
Nangonin'i




67 HA
Tovolahy nihinjitsinjitra teny an-dalambe
Avotra ilay tovolahy nihinjitsinjitra teny an-dalam-be, teny amin'ny 67 ha, omaly maraina. Narary noho ny fihinanany fanafody pilina marobe izy.
Tsy vitan'ny nitsirara teo afovoan'arabe teny amin'ny 67 ha afovoany-andrefana, omaly maraina, ity tovolahy iray, manodidina ny 19 taona eo, fa sady nihinjitsinjitra sy nangovitra be tsy nisy ohatr'izany. Taitra ny mponina teo amin'ny manodidina ka niantso haingana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna, mba hitondra azy any amin'ny hopitaly.
Fanafody pilina kely mbola maromaro no hita tao anatin'ny paosiny tamin'io fotoana io. Teo no nahafantaran'ny mponina fa nitelina fanafody ity tovolahy.
Nosoritan'ireo mponina teny an-toerana mantsy fa vao maraina ity tovolahy ity, dia efa hitan'izy ireo nisodisody teny an-toerana. « Sady nitondra fanafody pilina kely be dia be izy no nanontany tena hoe mahafaty ahy ve ireto raha hohaniko », hoy ity vehivavy iray. « Nasehony ny olona mihitsy ireo fanafody », hoy indray ny tovovavy iray.
Noheverin'ireo mponina teny an-toerana fa avy nividy fanafody izy ary misangisangy amin'ny mpandalo. Hay tena nohaniny tokoa ilay izy. « Efa vitsivitsy ihany mantsy sisa ny pilina hita teny aminy raha noharina tamin'ireo naderaderany.»
Nentina avy hatrany notsaboina tao amin'ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ao Ampefiloha izy ary teo no tena nahalalana fa nararin' ny fanafody marobe nohaniny izy. Avotra soa aman-tsara moa izy. Saingy na izany aza mbola arahi-maso hatrany ny fahasalamany, hoy ireo mpitsabo.
Misy ihany koa ny karazany fampianarana omena ireny olona nitelina fanafody ireny, mba tsy hanatanterahany izany intsony. Tsy mety milaza izay antony nahatonga izao fihinanany fanafody marobe izao moa ilay tovolahy, raha ny fanazavana azo. Toy izany ihany koa ny mombamomba azy sy ireo ray aman-dreniny.




Ambohimanarina
« Scooter » natsipin'ny mpangalatra
Nentin'ny fahamaizany, omaly antoandro, teny Anosivavaka Ambohimanarina, ity jiolahy iray nitondra « scooter » avy nangalariny raha nosakan'ny zandary, ka tonga dia natsipiny teny am-pandehanana ilay moto. Dia iny izy no lasa namonjy elakela-trano, nandositra. Tsy tratra izy na dia niezaka ny nanenjika azy ihany ireo zandary, fa ilay fitaovana no noraisina.
Raha ny fanazavan'ny zandary dia teo Alarobia no tazan'ny tompony ilay « scooter ». Tsikariny tampoka teo am-pijerena azy ny endriny fony izy teo am-pelatanany : ny sezany rovitra, ny vatany anoloana vaky, ny lokony maitso tany am-piandohana. Ka tonga izy dia niantso ny zandary teny Talatamaty.
Natao ny fanatrarana ka teny am-pandehanana hizotra ho aty Anosivavaka-Ambohimanarina ilay mpangalatra no tratra. Nosakanana ary nasaina nijanona. Ary teo no nanipazany an'ilay « scooter » ka nandosirany.
Efa voalokon'ireo jiolahy mainty ilay « scooter ». Saingy nisy tamin'ilay lokony tany am-boalohany (loko maitso) no tsy takon'ilay loko mainty. Nambaran'ireo zandary fa tratra tao anatin' ilay « scooter » ny fitaovana fanamboarana azy.




Andoharanofotsy
Tsy mbola hita popoka ilay zazalahikely
Tsy mbola hita popoka, hatramin'izao, ilay zazalahikely,10 taona very tsy hita hatramin'ny alakamisy teo, teny Andoharanofotsy. Efa nokarohina hatrany anaty rano teny Dorodosy, amin' iny faritr'i By pass iny izy, araka ny fanazavan'ireo namany niaraka taminy farany, fa tsy hita. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ireto namany ireto, izay miisa fito, araka ny efa voalaza teto.
Zanak'olona any Fianaratsoa ilay tsy hita ary mipetraka ao amin'ny dadatoany ao Andoharanofotsy, mba hianatra. Ny zandriny lahikely iray, dimy taona, sy izy no indray nakarina eto an-drenivohitra. Araka ny fanazavan'ny dadatoany dia tsy tafiditra tao am-pianarana izy roalahy, tamin'io
andron'ny alakamisy io, fa efa nihidy ny vavahady. Ka niverina nody. Tonga tany an-trano anefa izy dia nasaina niverina tany am-pianarana naka ny kapan' ilay zandriny. Ary dia nanomboka teo izy no tsy hita intsony.
Tsy fantatra mazava izay tena momba azy ity satria miovaova be ihany ny filazan'ireo namany. Ny sasany nilaza fa tafavoaka tao anaty rano izy dia lasa nitsoaka ; ny hafa niteny fa nilentika tao anaty rano izy ka tsy nipoitra intsony. Na izany na tsy izany dia efa nampandre ny fokonolona eny amin'iny faritra Dorodosy iny ireo nitaiza azy amin'ny fikarohana azy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Asa fanaovan-gazety - Folo taona ny « Gazetiko ». Nomarihina, omaly, teny amin'ny Espace Tsiky, eny Ivandry, ny fahafolo taonan'ny « Gazetiko ». Gazety izay vokarin'ny «Midi Madagasikara». Amin'ny fiteny malagasy ranofotsiny izy ity. Nambaran'ny tale jeneraliny Juliana Andriambelo fa gazety natao ho an'ny be sy ny maro izy io..
Sakaraha - Gadra nandositra voatifitra. Maty voatifitry ny zandary, tany Sakaraha, ilay gadra nandositra ny fonjan'i Toliara. Teo am-pisotroana zava-pisotro misy alikaola tao amina mpivarotra iray izy sy ny namany no tazan'ny zandary.
Nangonin'i




Ankizy voatifitra teny Nanisana
Polisy sivy lahy niatrika fitsarana
Notsaraina omaly ilay raharaham-pahafatesana tovolahy, Riana, tamin'ny fanenjehan'ny polisy an-dry Mahandry teny Nanisana, ny 24 marsa 2005. Polisy sivy no indray niatrika izany.
Polisy sivy lahy avy ao amin'ny sampana miady amin'ny heloka bevava teny Anosy, manamboninahitra misalotra ny galonan'ny kaomisera ny iray, no indray niatrika fitsarana ady heloka tsotra, omaly tao amin'ny lapan'ny Fitsarana tao Anosy. Notsaraina tamin'ilay raharaha nanenjehan'izy ireo an-dry Mahandry sy ny namany teny Nanisana, ny 24 marsa 2005, izay nisian'ny fifampitifirana mahatsiravina ka nahafaty tsy nahy an'ilay tovolahy iray, Razanajaona Riana (17 taona). Nipetraka teo amin'ny toeran'ny voampanga, arak' izany ireto polisy ireto. Mazava ny fiampangana azy ireo, fitifirana nitarika fahafatesan'olona tsy nahy.
Ny ray aman-drenin'ity namoy ny ainy ity, Razanajaona sy Ranivoarisoa, no tompon'ny fitoriana tamin'izany. Nomarihin'ny teo amin'ny Fampanoavana fa fitoriana olon-tsy fantatra no niaingàny ka tsy nisy olona nohenjehina tany am-boalohany. Saingy rehefa nandeha ny raharaha ka niakatra tany amin'ny mpitsara mpanao famotorana, dia nisy an'ireo polisy voatonona ary voampanga izay nijoro teo anoloan'ny fitsarana ireo. Izy ireo mantsy, raha ny fandehan'ny raharaham-pitsarana, no anisan'ireo polisy tonga teny an-toerana nanatanteraka iny opération iny. Nosoritan'izy ireo fa nisy fiara telo samihafa izy no indray tonga teny an-toerana tamin'io fotoana io.
Tsy fantatra ireo nitifitra
Raha ny fandehan'ny raharaha teo amin'ny fitsarana, na teo amin'ny fiarovan-tenan'ireo polisy na teo amin'ny fanazavan'ireo mpitory, dia tsy fantatra mazava izay tena nitifitra an'ilay fiara Renault 5 nentin'ity fianakaviana ity, izay nahavoa an'i Riana tao anatiny.
Ho an'ireo polisy aloha dia samy nosoritan'izy ireo, na
dia nisy niaiky aza, fa nitifitra tamin'io fotoana io, fa tsy izy ireo no nitifitra an'ilay Renault 5. Samy nilaza ho tsy nisy nahita an'ity fiarakely ity avokoa mantsy izy sivy lahy. Izany hoe tsy nisy nahita an'ity fiara ity teo alohany nanaraka an'ireo jiolahy noenjehiny. « Tsy nisy afatsy ny fiaran'ilay jiolahy teo alohanay ihany no teo », hoy izy ireo.
Toy izany ihany koa ny an'ireo mpitory, ny ray aman-drenin'i Riana. « Tsy hitanay ireo nitifitra anay no sady tsy fantatray izay niaingany », hoy izy ireo.
Sarotra ny raharaha
Na izany aza anefa dia notsipihiny fa notifirina avy tany aoriana izy ireo ka bala tamin'izany no nahavoa an-janany tao anaty fiara. « Bala dimy no indray niantefa teny amin'ny fiaranay. Saingy tsy hitanay izay nanao izany », hoy izy ireo. Nomarihiny ihany koa, tamin'ny fanamarinana ireo poti-by hita tao anatin'ny fiarany fa nisy bala-na kalachnikov sy bala-na basy poleta tamin'ireo nahavoa ny fiarany.
Sarotra ny raharaha, ary na ny Fampanoavana izay tompon'ny fanenjehana aza nanamarika izany. Tsy nivoitra no sady tsy hita mazava ny tena nitifitra ka nahafaty an'i Riana. Natsipiny tany amin'ny fitsarana ny fandinihana azy : « Olana ny hoe iza no nitifitra. Eo am-pelatananao ny dossier rehetra Ramatoa Filoha. Ka raha heverinao fa meloka izy ireo dia anjaranao ny mampihatra ny lalàna. Raha toa ka misy ny fisalasalana dia anao ny fahefana manafaka azy ireo. »
Somary kivikivy ihany, araka izany, ireo ray aman-drenin'i Riana teo am-pivoahana ny efitrano fitsarana. Notsindrian-dRazanajaona rain'i Riana fa tsy ampy mihi-
tsy ireo polisy voampanga tamin'ny raharaha. « Marobe izy ireo no polisy tonga teny fa tsy ireo fotsiny. Tsy miampanga an'ireo polisy ireo ho nitifitra ny zanakay izahay. Nefa na izany aza rehefa natao ny fanamarinana tamin''
ny alalan'ny manam-pahaizana manokana momba izany sy araka ny porofo eto am-pelatananay, dia ahiahianay bebe kokoa ny polisy », hoy izy ireo.
Andrasana ny 6 mey ho avy izao ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity. Nangataka onitra mitentina 160 tapitrisa ariary moa ny mpitory.





Famakiana kaontenera
Friperie 150 isa nahodinkodina
Mpamily kamiao, mpanampy azy, mpampanofa fiantsonan'ny kamiao, mpibata entana, mpiambina garazy miisa valo lahy niaraka tamina vehivavy iray mpandray ny entana halatra. Ireo no indray niatrika fitsarana, omaly, voampanga ho nangalatra sy nanodinkodina balles friperies miisa 150 ana-orinasa lehibe iray any Fianarantsoa, ny volana septambra 2007 teo. Tao Ambohimangakely no toerana nanatanterahin'izy ireo izany.
Raha ny fizotry ny fitsarana dia efa voaomana mialoha ity famakiana kaontenera ity. Voalamina hatramin'ny tetika rehetra mihitsy aza amin'ny famakiana azy sy
ny fanafenana ny halatra hatao mba tsy ho hitan'ny mpiasan'ny ladoany rehefa manamarina ny raharaha
izy. Satria notsiahivin'ny mpiaro ny orinasa niharan'ny voina tamin'izany fa na ny fipetraky ny plombs tamin'ny kaontenera novakiana aza tsy nisy nahafantarana azy mihitsy. Saingy rehefa voavaha ilay kaontenera, nojerena ny entana tao anatiny dia teo no nahafantarana ny fahabangana.
Nosoritan'ity mpiaro ny orinasa ity tamin'izany fa tsy nidiram-patiantoka fotsiny ihany tamin'ny fahaverezan'ny entany ny orinasa fa nipoiran'ny olana tsy fidiny teo amin'ny fanjakana sy ny orinasa mpamatsy azy. Ary dia niharan'ny sazy. Kanjo moa rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa niharan'ny halatra izy.
Nisy niaiky ny fiampangana azy moa ireo voampanga, na dia nandà avokoa aza ny ankamaroany. Amin'ny 22 aprily ny didy no hivoaka.




Andoharanofotsy
Hita ilay zaza noheverina fa maty an-drano
Hita ihany ilay zaza, Lantoarisoa Patrick, nolazaina fa dobo an-drano, novonoin'ny namany teny Dorodosy teny amin'ny
By-Pass. Afak'omaly tolakandro izy no hitan'ny fokonolona teny amin'iny faritr'i Forello iny. Nirenireny teny an-toerana ary niantsoan'ny olona teny ny mpamonjy voina tao Tanjombato. Dia nentina tao amin'ny polisy tao an-toerana ary nafindra any amin'ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Anosy.
Marihina anefa fa zanak'olona fito naman'ity zaza ity no indray voarohirohy amin'ny tsy fahitana azy, ary efa natolotra ny Fampanoavana, ny alatsinainy teo. Noho izy ireo niara-nilalao tamin'io fotoana io ka tazan'ireo olona nitaiza an'i Patrick no nahatonga azy ireo ho voarohirohy tamin'izany.
Omaly ihany moa dia nampanantsoina hamonjy ny biraon'ny polisy misahana ny fiahiana ny zaza tsy ampy taona ireo olona nitaiza an'i Patrick. Voalaza mantsy fa mipetraka amin'ny rahavavin-dreniny ity zaza ity eto an-drenivohitra.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Faratsiho - Renim-pianakaviana maty nilatsaham-potaka. May kila tanteraka nilatsahan'ny varatra, ny alarobia teo, ilay renim-pianakaviana iray tany Faratsiho. Teo am-pakàna vilona izy no nirefotra tampoka teo aminy ny varatra. Nibaby ny zanany kely anefa izy tamin'io fotoana io. Saingy ny nahagaga tsy naninona ilay zaza. Izy nikiakiaka nitomany no nanaitra ny fokonolona tao an-toerana.
Fisolokiana - Manamboninahitry ny zandary niakatra fitsarana. Manamboninahitra iray avy ao amin'ny zandarimariam-pirenena, omaly, no niakatra fitsarana tao Anosy. Voampanga ho nanao asam-pisolokiana manodidina ny 100 tapitrsa Ariary. Raharaha ara-barotra teo amina kojakoja fanaovan-trano no nisehoan'ny raharaha. Andrasana amin'ny 22 Aprily izao ny didim-pitsarana.
Nangonin'i




Fisolokiana
Notsaraina ilay kolonelin'ny prezidansy
Mpiasa maro, sivily sy miaramila teo anivon'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika no tonga niatrika tao Anosy. Notsaraina omaly mantsy ilay kolonely naman'izy ireo.
Nivangongoan'ny mpiasan'ny prezidansy indray ny efitrano
Fitsarana ady heloka tsotra tao Anosy, omaly maraina. Niakatra fitsarana tao mantsy ilay manamboninahitra, kolonely miasa ao anivon'ny fiadidian'ny filohan'ny Repoblika, izay voampanga ho nanao sy nanome karatra maha mpiasan'ny presidansy ho an'ny sivily, ka nentina nanaovana asa fisolokiana sy firaisana tsikombakomba. Niara-notsaraina taminy ireo sivily roa lahy nomeny an'io karatra io, izay voalaza fa nampiasa izany karatra izany, ary nitsabaka ny asam-panjakana sy nanery olona hanome vola azy. Tsy nitovy mantsy ny fiampangana an'ity manamboninahitra ity sy izy roa lahy sivily.
Mitombina ny fiampangana
Azo lazaina ho henjakenjana ihany ny raharaha, satria hentitra dia hentitra tokoa ireo mpitsara, indrindra fa ny teo amin'ny Fampa-noavana izay tompon'ny fanenjehana, tamin'ny fanadihadiana azy telo lahy voampanga. Fanadihadiana izay niainga tany amin'ny valin-teniny tamin'ny mpitsara tao amin'ny Fampanoavana sy ny fiarovan-tenany teo anatrehan'ny fitsarana. Tsapa ho sahirankirana ihany, araka izany, ireo voampanga. Samy nandà ny fiampangana azy avokoa mantsy izy rehetra.
Ho an'ilay manamboninahitra dia ny teo amin'ny tsy fahasalamany izay niteraka tsy fitadidiana teo aminy, no tena nibahanan'ny fiarovan-tenany. Satria nambarany fa tsy nisy tadidiny izay zavatra nataony rehefa mihetsika ny aretiny.
Ho azy roalahy sivily kosa indray dia nambaran'izy ireo fa tsy nanao afa-tsy izay asa nampanaovina azy amin'ny fikaroham-baovao izy ireo, satria izay no antony nanomezana karatry ny mpiasan'ny prezidansy azy. Notsindrian'ny mpiaro azy ireo fa tsy mahalala izy hoe karatra tsy izy ny nomena azy ireo.
Fampiharana ny lalàna
Na izany aza anefa ny fiarovan-tenan'izy ireo, dia notsorin'ny Fampanoavana fa mitombina ny fiampangana azy ireo. Ary nangatahiny ny hampiharana ny lalàna. Izany hoe ny sazy fananarana.
Adiny roa sy sasany teo no naharetan'ny fitsarana azy ireo izay nahaliana dia nahaliana fatratra ny maro tokoa. Tsy avy hatrany dia nivoaka teo no ho eo moa ny didy fa andrasana ny 6 mey ho avy izao. Marihina fa orinasa mpitrandraka hazo no mpitory tamin'ity raharaha ity, izay notakian'ireo mpisoloky vola iray miliara ariary.





Tanjombato
Tany amin'ny polisy ilay zaza tsy hita
Araka ny efa nambara an-gazety teto omaly, dia efa hita ilay zaza nolazaina fa dobo an-drano novonoin'ny namany teny Dorodosy. Ny alakamisy iny ihany no nahitàna azy, izany hoe ny harivan'ny nanjavonany ka nikarohan'ireo mpivady nitaiza azy (satria ao amin'ny rahavavin-dreniny izy no mipetraka eto an-drenivohitra). Teny amin'iny faritry ny « zone Forello » iny izy no hita ary naterin'ny mponina tao amin'ny kaomisarian'ny polisy tao Tanjombato.
Nanomboka teo izy izany ka hatramin'ny talata izay nandefasana azy tao amin'ny polisy misahana ny fiahiana ny zaza tsy ampy taona, dia tao amin'ity kaomisarian'ny polisy ity foana.
Efa nanomboka nipetraka tany anivon'ny mpitandro ny filaminana anefa ny taratasy fikarohana azy, nanomboka tamin'ny andro tsy nahitàna azy. Nanomboka ihany koa ny fanadihadiana, niainga tamin'ireo namany hita niara-nilalao taminy farany. Ary dia tonga hatramin'ireny fikarohana nataon'ny mpamonjy voina avy any Tsaralalàna teny amin'ny ranoben'i Dorodosy teny amin'ny By pass ireny. Niafara tamin'ny fandefasana ireo ankizy namany teo anatrehan'ny Fampa-noavana, ny alatsinainy.
Zaza efatra izy no indray nentina natolotra ny Fampanoavana tamin'izany, ary nisy mihitsy ny nalefan'ny mpitsara tao amin'ny Fampanoavana tany amin'ny akany fanabeazana zaza maditra. Ilay zaza nolazaina fa maty anefa efa hita hatramin'ny alakamisy.
Ny alatsinainy teo vao fantatra ny olona nitaiza an'ilay zaza. Nanaovana fanadihadiana izy ireo, ary taorian'io ilay zaza vao naterina teny anivon'ny polisy misahana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona.




Ambatolampy
Jiolahy nifampitifitra
Jiolahy enin-dahy nirongo basy sady nanao saron-tava no indray nanafika ny lehiben'ny fokontany iray, tao amin'ny kaominina TsiafajavonaAnkaratra,distrikan'Ambatolampy, ny alin'ny alatsinainy 6 hifoha 7 aprily. Araka ny vaovao azo avy teny anivon'ny mpitandro ny filaminana, dia nametraka tetik'ady hamonoana ilay rangahy tompon'ilay tranom-pivarotana entana madinika ireto olon-dratsy.
Noho izany, dia nanodidina ity trano ireto jiolahy ary nisy tamin'izy ireo no efa tafakatra tany ambony rihana. Ireto naman'ilay jiolahy taty ambany anefa nihevitra fa izay olona mitsambikina avy any ambadiky ny varavarankely dia tifirina avy hatrany.Tsy nifankahazo anefa izany tetik'ady izany teo anivon'ny samy jiolahy, ka ny naman'izy ireo ihany, izay nitsambikina avy ao ambadika no norarafan'ireto namany.
Tifitra variraraka tamina basy, koa dia potika tsy nisy noraisina ny lohany. Nirifatra nitsoaka avy eo ireo dimy sisa, fa ilay rangahy tompon'ny trano kosa tamin'io namitsaka soa aman-tsara tao anaty trano.Tsy nisy entana na dia iray aza
nalain'ireto olon-dratsy tao amin'ity tokantrano ity tamin'io fanafihana io.
Teo vao tora-kovitra sy tonga saina ilay rangahy tompon'ilay fivarotana fa ny ainy mihitsy no tena nokasain'ireto jiolahy ireto hofofoina, ary dia nametraka taratasy fitarainana momba izao raharaha izao teny anivon'ny zandary any an-toerana ny tenany.
Zack Tovoson




Fitsarana
Mpanao hosoka voasazy
Nohelohin'ny Fitsarana ady heloka tsotra tao amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy, omaly, ilay renim-pianakaviana teratany vahiny iray, Fabienne Chalard, izay voampanga ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka tamina kara-panondrom-pirenena malagasy. Enim-bolana an-tranomaizina no sazy nampiharin'ny fitsarana taminy. Mbola narahin'ny didy fampisamborana avy hatrany sy didy fampidirana am-ponja eo no ho eo io didy io, noho izy tsy hita popoka hatramin'izao.
Efa matetika niverimberina teo amin'ny fitsarana ity raharaha ity, nanomboka tany amin'ny volana desambra 2007. Saingy tsy tanteraka, nihemotra foana, noho ny tsy fipoiran'ny voampanga teo anoloan'ny fitsarana. Ary dia izao notanterahina sy namoahana didy izao.
Hosoka kara-panondrom-pirenena malagasy moa, raha tsiahivina ny raharaha, no nataon'ity Fabienne Chalard ity. Tany Toliara no toerana voatondro nakàny an'ilay karatra. Rehefa nanaovan'ny polisy fisavana anefa ny biraon'ny kaominina voatondro fa nanaovany izany dia nitsinkafona teo ny nahahosoka ny azy. Vehivavy teratany malagasy no tena tompon'ny karatra, raha ny hita tao amin'ny laharan'ny karatra.




Antsirabe
Misesisesy ny vaky trano
Mandry tsy lavo loha ny mponina eto an-drenivohitr'i Vakinankaratra amin'izao fotoana, noho ny halatra izay ataon'ireo ankizy tsy ampy taona. Ny volana marsa lasa teo, dia nisy namaky ny sekolin'ny Norvezianina iray tao Antsirabe. Ary lasan'ireo olon-dratsy tamin'izay ny fakan-tsary iray nomerika sy solosaina iray. Rehefa
natao ny fitadiavana dia ankizilahy kely vao herotrerony no tratra tamin'izany, manodidina ny 12 taona mahery kely.
Nisy namaky ihany koa ny trano hofain'ny teratany vahiny iray ao amin'ny hotely iray ao an-toerana. Lasan'ireo olon-dratsy tamin'izany koa ny finday telo sy fakan-tsary nomerika iray. Marihina fa lasa nanao asa tany ivelan'Antsirabe io teratany vahiny io tamin'io fotoana io. Olona efa nahafantatra tsara ny momba ity tompon-trano ihany no nanao ny asa ratsy. Izany hoe zazakely tsy manam-piahy irony, izay efa notezain'ity vahiny ity tao aminy teo aloha, ka lasa nitsoaka. Noho izy mpitaiza zaza
kamboty sy mpirenireny eny amin'ny arabe, dia ao aminy daholo ireo karazan'ankizy maro manerana ny faritra.
Tratran'ny polisy ny iray tamin'ireo ankizikely fa ny iray kosa dia mbola karohana amin'izao fotoana.
Eo anatrehan'izay dia nantsoin'ireo mpitandro ny filaminana ity teratany vahiny ity. Nilaza izy fa ankizy efa nipetraka tao aminy io zazakely tratra io. Araka izany dia tsy misy miafina amin'ity teratany ity mihitsy ny mombamomba ireto zaza manan-talenta ratsy ireto. Raha ny fijery azy ireto dia manodidina ny 13 taona eo ho eo izy ireo, ary mazava ho azy kosa izany fa tsy ho ela akory dia ho tratra i Zozy, mbola any am-piafenana, izay naman'io ankizikely efa voasambotra io.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Sakaraha - Tratra ireo dahalo nahafaty zandary. Dahalo raindahiny enina, ka ny telo maty voatifitra, no indray saron'ny zandary tany amin'iny faritr'i Sakaraha iny, ny herinandro teo. Zandary roa tamin'iny faritra iny no efa matin'ireto andian-dahalo ireto, ny komandin'ny borigadin'i Fanjakana ao anatin'ny distrikan'Ikalamavony any Fianarantsoa, adjudant Sekirigny, ny taona 2006, ary ny zandary tsotra iray, sefo Aimé, niasa tao amin'ny paositra « avancé »-n'Andonaka.
Ambalavao Fianarantsoa - Talen'ny kolejy maty voatifitra. Bala roa no nitifiran'ireo jiolahy ka nahafaty an'ilay talen'ny kolejy FJKM tao Ambalavao Fianarantsoa, ny alin'ny 20 marsa teo. Jiolahy efa ho folo no nanafika azy ary niditra an-keriny tao an-trano tamin'io fotoana io. Tsy nisy nokitihin'ireo jiolahy ny vady aman-janany fa ity tale ity ihany no novonoin'izy ireo. Sakaosy nisy vola sy Baiboly no lasan'ireo olon-dratsy tamin'izany.
Nangonin'i




Éducation
Six formateurs réunionnais débarquent
Après le voyage des quatre personnes issues de la direction régionale de l'éducation nationale de Mahajanga récemment à la Réunion, du 25 mars au 1er avril, ce sera au tour de six Réunionnais de venir à Mahajanga.
Ils débarqueront dans la cité des Fleurs le 14 avril pour dispenser la même formation aux 57 directeurs de CEG, proviseurs et censeurs des lycées de la région Boeny durant cinq jours au CAPR.
La dernière formation du genre a eu lieu il y a des lustres, et la DREN étant demandeur, selon son directeur Ernest Zaranaina. Elle entre dans le cadre du partenariat de la direction avec La Réunion.
«Le dynamisme du personnel et du chef d'établissement est tributaire des résultats scolaires. C'est pourquoi, le stage est très porteur», admet le directeur.




Ampefiloha
Sinoa vavy very vola 40 tapitrisa ariary
Ny volany 40 tapitrisa ariary very teo Ampefiloha no nitabataban'ity sinoa vavy iray. Tovolahy mpivarotra antso teo an-toerana no notondroiny ho nangalatra azy.
Sinoa vavy iray, omaly maraina, no nisavorovoro sy nisafoakan' ny hatezerana teo Ampefiloha, teo akaikin'ny hidin-dalamby. Nitaraina ho very vola mitentina 40 tapitrisa ariary izy ary tovolahikely iray nivarotra antso amin'ny finday (taxiphone) teo akaiky teo no nohatoniny sy nanamparany ny hatezerany.
Niaraka tamin'ny mpamiliny moa ity sinoa vavy ity tamin'izay fotoana izay, ary dia samy nanovokovoka nifanjinja teo amin'ity tovolahikely mpivarotra ity avokoa izy roa tonta ireo.
« Ilay sinoa vavy tsy hay izay lazainy fa miteny amin' ny fiteniny. Fa ilay mpamiliny no nahafantarana ny olana nisy teo aminy », hoy ity raim-pianakaviana izay nanatri-maso ny zava-niseho.
Raha ny fanazavan'ity tovolahikely iray ity, Razafinjatovo Pierre Emile, izay tratra teny an-toerana dia nolazain'izy ireo fa izy no nangalatra ny volan'ilay sinoa vavy mitentina 40 tapitrisa ariary. « Tsy niala teto amin' ny toerako teto aho. Nefa nolazain'izy ireo fa izaho no nangalatra ny volany tao anaty fiara. Tsy hitako akory izy hoe nijanona elabe teto anoloako teto », hoy izy nanazava.
Avy tany Ampefiloha tany ity sinoa vavy ity sy ny mpamiliny raha ny fahalalan'ilay tovolahy azy. Tonga dia najanon'ilay mpamiliny teo anoloan'ilay tovolahy ny fiarany. « Tsy nisy telo minitra akory no nijanonan'ny fiara dia niara-nivoaka izy ireo. Dia namantana teto anoloako », hoy Pierre Emile.
Nambarany ho notondroin'ilay mpamilin'ilay sinoa izy. « Noheveriko fa hividy fahana na hiantso no anton-dian'izy ireo. Hay zavatra hafa. Tonga ilay sinoa dia nivatravatra nanatona ahy ary nitabataba teo anoloako. Nolazainy fa izaho no nangalatra ny volany tao anaty fiara », hoy ihany ity mpivarotra nanazava. Dia nitangorona ny olona.
Niantso polisy teo akaiky teo moa ity vahiny sy ilay mpamiliny ka teo vao niravona ny tabataba satria efa nitangorona ny olona.
Nambaran'ity tovolahy mpivarotra ity fa tsy nalain'ny polisy izy na izany aza. « Nalainy fotsiny ny mombamomba ahy manontolo dia noteneniny aho tsy hiala eto an-toerana sao misy ilàna ahy », hoy izy. Mety hametraka ny fitarainany any amin'ny polisy izany izy ireo.




Ankatso
Nofantsihan'ny mpianatra ny biraon'ny Croua
Nofantsihan'ny mpianatra, afak'omaly, ny biraon'ny Croua (Centre régional des oeuvres universitaires Antananarivo) teny Ankatso II. Fanehoana ny tsy fahafaliana amin'ilay fifidianana kaomisiona amin'ny raharaha fitsinjarana ny tranon'ny mpianatra no antony, raha ny fanazavan'i Dominique Tendreaolibe, mpitarika ireo mpianatra manao fihetsiketsehana. « Tsy nisy fifanarahana taminay ny fifidianana ireo mpikambana ao anatin'io kaomisiona io. Ka tsy ekenay », hoy izy. Tokan-kiririoka vao maraina niantsoana ireo mpianatra no nataon' izy ireo tamin'izany. Ary taorian' izay izy no nandeha namonjy ny biraon'ny Croua namantsika azy.
Na izany aza anefa ny zava-nisy dia tafiditra tao amin'ny biraony ihany ary afa-niasa ireo mpiasan'ny Croua. Nesorina ny fantsika nanitsoka ny varavarana tsy hivoha ary novohana ny birao.




Tsiroanomandidy
Ny Tim foibe no nanolotra ny kandida senatera
Nanoloana ireo tsy fahombiazan'ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) tamin' ireo fifidianana nifanesy tany amin'iny faritr'i Bongolava iny, sy ny savorovoro politika nanjaka tao an-toerana, dia ny Tim foibe mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nisafidy sy nanolotra ny kandidany hofidiana senatera amin'ny 20 aprily ho avy izao.
Tsy nahatoky intsony an'ireo Tim tao amin'ny faritra sy ny Coach mitarika azy ny tao amin'ny foibe na dia efa niketriketrika tamin'ny fifantenana sy fanolorana izay ho kandidany amin'izany aza izy ireo.
Olom-baovao mihitsy, araka izany, mpandraharaha ara-toekarena avy amin' iny faritra iny, sady zanak'i Bongolava rahateo, Ravatomanga Rolland, no natolotry ny Tim foibe ho kandida senatera. Ity kandidan'ny Tim ity irery ihany koa no kandida hofidiana amin'io fifidianana io.
Manohana azy amin' izany, amin'ny maha kandida azy, ny depioten'i Bongolava, Ramaherijaona Haja, avy amin'ny Anawi. « Amin'ny maha mpandraharaha azy dia heveriko fa hanana fomba fijery amin'ny fampandrosoana ny faritra izy, ary handravona ny ady mangatsiakan'ny politika ao an-toerana », hoy izy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Marovoay - Zaza maty navadiky ny fiara. Tany ambany tetezana, tao Antanambao kaominin'Andranolava, distrikan'i Marovoay, no nivarina, ny 8 aprily alina teo, tokony ho tamin'ny 8 ora, ilay fiara minibus iray. Mpandeha 19 no tao anatiny, izay saika naratra avokoa. Saingy ilay zaza roa taona irery no maty tsy tra-drano vokatr'izany.
Ambohidratrimo - Olona efatra navadiky ny lakana. Loza no nanjo ireto mpivarotra efatra, avy any Ambohidratrimo iny, ny alarobia maraina teo. Niampita lakana tao amin'ny reniranon'Anosilava ao Ambohimarina, kaominin'Ambatolampy Tsimahafotsy izy ireo. Indray narendriky ny lakana ka tsy nisy avotra. Saika hamonjy tsena aty an-drenivohitra anefa no anton-diany.
Nangonin'i




Analakely
Nikatona avokoa ireo magazay lehibe
Nisavorovoro ny teo Analakely, omaly, ka naleon'ireo mpivarotra nanidy ny mangazainy. Ny mpanararaotra indrindra no nosorohin'izy ireo tamin'izany.
Raha vao nigadona teo Analakely, teny amin'iny araben'ny Fahaleovantena iny, omaly maraina, i Lecacheur Henri sy ireo mpiara-dia aminy, niaraka tamin'ny sora-baventy mitaona ny olona hikomy, dia namonjy nandrindrim-baravarana daholo ireo mangazay rehetra tamin'iny faritra iny. Navoaka ny mpividy, satria efa misandratr'andro, fotoana fivoahan'ny olona miantsena sy mitsidika mangazay, ka dia nohidiana ny varavarana.
« Aleonay misoroka toy izay ho voaroba very fananana », hoy ity teratany vahiny vavy iray tompon'ny mangazay mivarotra ireny kojakoja ao an-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra ireny. Nosoritany mantsy fa amin'ny fotoana toy izao indrindra, izay mahavory vahoaka, no tena fanararaotan'ireo jiolahy mpandroba.
« Mangazay efa mikatona aza vakiany, mainka fa mivoha midanadana », hoy ity mpivarotra iray namany.
Nisomaritaka be ihany tokoa mantsy ny olona teny Analakely, tamin'io fotoana nandalovan'i Lecacheur teny io. Tao ny nijorojoro, tao ny nihazakaza nijery. Ny mpandalo mahita izany hendratrendratra be ihany, satria tsy mahita izay tena zava-mitranga !
Etsy andaniny, ho an'ireo mpivarotra amoron-dalana sy mandehandeha, dia azo lazaina fa metimety ratsy ho azy ny fitrangan-javatra. Notsorin'ny tovolahy iray mantsy fa mba afaka migalabona tsy voakotaban' ny fivondronana izy ireo rehefa misy ny fidinan'ny mpanao fihetsiketsehana toy izao. « Tsy miraharaha izay politika any izahay, fa ny hanina hiditra am-bavanay ihany no fantatray. Rehefa betsaka mantsy ny olona dia be ny mpividy. Hanatona olona aza ataonay », hoy ireto tovolahy mpivarotra CD sy famantaranandro eo Analakely.
Adiny iray sy sasany teo ihany moa ireo mpivarotra no nanakatona ny tsenany. « Efa ahitana fatiantoka betsaka ihany izany raha jerena amin'ny habetsahan' ny mpividy ato aminay amin'ny andavanandro », hoy ity teratany vahiny lahy, tompon'ny mangazay lehibe iray eo an-toerana.




Antsahavola
Mpiasan'ny tranombarotra miantso jiolahy
Saron'ny polisy, ny alarobia teo, ny iray tamin'ireo jiolahy nanafika mpiasan'ny tranombarotra handeha hanatitra vola mitentina 76 tapitria ariary sy seky maro, tany amin'ny banky, ny zoma 4 aprily lasa teo. Ity mpiasa notafihiny ity ihany no nahita azy teny Analakely, ka tonga dia niantso ny polisy avy hatrany. Ary dia noraisim-potsiny teo ilay jiolahy, teo am-pividianana moto tamin'ilay vola vao avy norobainy.
Raha ny fanazavana nampitain'ny tao anivon'ny polisy, roalahy izy no indray babo tamin'ity raharaham-panafihana ity, satria mpiray tetika taminy amin'ny fanomezana ny vaovao ny mpitantam-bola tao amin'ilay orinasa tamin'io fotoana io. Izy no niantso sy nampandre an'ireo jiolahy amin'ny fiaingan'ny vola be tao amin' ny orinasa. Nifanarahan'izy ireo tamin'izany ny tsy hamonoana ny mpiasa mitondra vola. Nifampizarana ny vola ary dia nahazo ny anjarany tamin'izany ilay mpiasa nanome ny vaovao.
Natolotra ny Fampanoavana izy roalahy, omaly, ary dia notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.




Ankavandra
Mandoro trano ny dahalo
Sady mandroba no mandoro trano. Manjaka manao izay tiany hatao tokoa ny dahalo amin'iny faritr' Ankavandra iny, ao anatin'ny distrikan'i Miandrivazo. Tokantranon'olona iray, tao Ambakaka, no nanaovan'izy ireo ny asany ratsy, ny alarobia alina teo. Norobainy ny omby miisa 50 tao am-bala, dia nidirany ary nodorany ny tranon'ilay tompon'omby.
« Soa ihany fa tafatsoaka daholo izy mianakavy kely tao amin'ilay trano, fa raha tsy izany dia kila forehitra tao daholo », hoy Rakotomanga Delphin, ben'ny tanànan' Ankavandra. Vato boribory tsy misy ho raisina mihitsy izy mianakavy kely ireto izao, satria nafoy avokoa ny fananana rehetra, na an-tsaha na an-tanàna.
Nosoritan'ity ben'ny tanàna ity fa tsy latsaka ny roapolo lahy ireo dahalo nanao an'io fanafihana io, ka tsy afa-nihetsika ny fokonolona fa vao mainka nandositra ny tanàna aza. Rehefa lasa ireo jiolahy, izay vao lasa nirohotra nampandre ny zandary ny mponina.
Mbola olana ihany koa anefa ny momba ny mpitandro ny filaminana, satria tsy ampy ny isany. « Tsy misy afa-tsy zandary dimy lahy no ao amin'ny borigady. Ka raha antsoina dia ampahany kely amin'izy ireo ihany no afaka mandeha, satria ny birao tsy azo ilaozana », hoy ny ben'ny tanàna. Koa miantso sy manaitra ireo tompon'andraikitra izy mba hijery akaiky izao herisetra ataon'ny dahalo amin'ny mponina izao.




Andranomanalina
Tratra ilay renim-pianakaviana nitsoaka ny hopitaly
Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ilay renim-pianakaviana nitondra ny zanany narary nitsoaka tao amin'ny hopitaly Befelatànana, ny alahady alina teo. Ny fokonolona teny Andranomanalina no nahatratra azy ary nanolotra azy ny polisy ao Anosy. Herintaona latsaka eo ity zanany kely ity ary nibinabina izany izy tamin'ny fotoana nanateran'ny fokonolona azy tao amin'ny polisy. Mbola nirenireny ihany koa ilay zaza tamin'io fotoana io.




Ivato
Basy nipoaka nahafaty olona iray
Nirefotra indroa tao anatin'ny trano fisakafoanana teny Ivato ny basy-na zandary iray, ny zoma hariva teo. Tovolahy iray no voan'izany ary namoy ny ainy.
Tovolahy iray antsoina hoe Andry, manodidina ny 20 taona eo, no maty voatifitra teny Ivato, ny zoma hariva teo. Teo amin' ny fon'i Andry no niantefa ny bala ary gorobaka, tafavoaka avy tany an-damosiny, araka ny fanazavan'ny rahalahiny, Riva.
Tao amin'ny trano fisakafoanana sady fivarotan-java-pisotro iray no nisehoan'ny raharaha. Niditra nisakafo tao mantsy ity tovolahy ity niaraka tamin' ny namany efatra mianadahy (tovovavy ny iray). Ka tao anatin'izay no nipoahan' ilay basy.
Zandary mpiana-draharaha ary miasa eo anivon' ny prezidansy ny iray tamin' ireo telolahy niaraka taminy ary azy io basy io, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Bala roa no indray nirefotra tao amin'ity trano fisakafoanana ity, araka ny manodidina.
Nilaza ho tsy nahita ny fisehoan-javatra ity renim-pianakaviana tompon-trano, fa niasa (mpanao volo ihany koa izy). Notsindriany fa tsy nahare tabataba na olona niady izy teo amin'ireo vahininy ireo. « Mpinamana izy ireo ary mpisakafo eto amiko », hoy ihany ity tompon'ny trano fisakafoanana.
« Tsy fantatray ihany koa izay tena zava-niseho satria izahay tsy nahita, hoy Riva rahalahiny. Efa tany amin'ny hopitaly izahay vao nahafantatra ny fahavoazan'i Andry. » Tsy fantatra, araka izany, raha ny fanazavana ihany na tetika efa nomanina na zavatra sendra nifanojo tampoka, tsy nahy, ny nahavoa an'i Andry. Nambarany fa efa tao an-trano ity zokiny ity tamin'io no nantsoin'ilay tovovavy namany handehandeha.
« Satria vonoan'olona no niseho dia tsy maintsy hisy ny fanadihadiana sy ny famotorana. Ka avy amin' izay no hahafantarana izay tena antony », hoy ny komandin'ny zandarimaria, ny jeneraly Raharijaona Lucien.
Notsindriany mantsy fa noho izy mpiambina olona ambony dia izay tompon' andraikitra mampiasa azy ihany no afa-manome fanazavana ny antony nanomezana alalana azy hitazom-basy. Toy izany ihany koa ny amin'ny anton-diany tany amin'ilay trano fisakafoanana sy ny nahatonga an'ilay basy nipoaka. Nolalaovina na nisy iraka nampanaovina azy.




Vohémar
Zaza fito taona nisy nanolana
Nirava avy nianatra ity zaza fito taona, ny herinandro teo, tao Ambodahoda kaominin'i Tanambao, distrikan'i Vohémar. Tovolahy iray manodidina ny 20 taona no nanakana azy teny an-dalana sy nibata azy. Ny antoandro, izany hoe tany amin'ny 12 ora tamin'ny firavan'ny mpianatra ilay zaza no nalain'ity tovolahy ity an-keriny. Avy teo dia nitondra azy tany anaty ala ka nanao herisetra taminy.
Ny ampitso ilay zaza vao hita, fa dia natory tao anaty ala tao izany izy nandritra ny alina. Nifatotra tongotra aman-tanana no nahitan'ny fokonolona azy. Olona sendra nandalo tamin' ilay toerana no nandre azy nitomany sy niantso vonjy. Nambaran'ity zaza rehefa voavonjy izy fa tsy vitan'ny nofatoran'ilay tovolahy nihetraketraka taminy fotsiny izy tamin'io fotoana io fa sady nofelahany ny tehamaina. Dia nangina tsy sahy nitabataba.




Toamasina
Mpandeha 13 maty navadiky ny kamiao
Telo ambin'ny folo no indray namoy ny ainy ary folo kosa naratra tany Toamasina tao Fanandrahana (30 km miala an'i Toamasina), ny 11 aprily teo. Kamiao nitondra mpandeha nivadika tamin'ny tetezana no nahatonga ny loza.
Tsy nahitsaka tsara an' ilay tetezan-kazo ny kodiarana iray tamin'ilay kamiao, raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana, ka izay no nampivadika azy.
Nanao ambony ambany, araka izany izy ity ka izay no nahavoa an'ireo mpandeha nentiny. Sempotra satria tsy tafavoaka avy tao anatin'ilay kamiao izay difotry ny rano.
Tsy mpitatitra olona ity kamiao nitera-doza ity, raha ny fanazavana azo. Mikarama mitatitra simenitra hanamboarana sekoly any an-toerana izy io. Saingy nanararaotra nitondra mpandeha.
Efa eo am-pelatanan'ny zandary any an-toerana moa ny raharaha amin'izao fotoana izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andrefan'Ambohijanahary - Zazalahikely maty voadonan'ny fiara. Tsy nialà-nenina notsaboina akory fa namoy ny ainy ilay zazalahikely enin-taona nodonin'ny fiara teny Andrefan'Ambohijanahary, omaly maraina, tokony ho tamin'ny 7 ora. Handeha hiampita arabe, niaraka tamin'ny raibeny izy tamin'io fotoana io no notsenain'ilay fiara 4x4 sendra nandalo.
Analakely - Tsy nipoitra i Lecacheur Henri. Nangingina toy ny andavanandro, ny asabotsy teo, teny amin'ny araben'ny fahaleovan-tena eny Analakely. Tsy nidina teny an-toerana mantsy i Lecacheur Henri, na dia efa nilaza am-pahibemaso aza fa hiverina ho eny. Nody fotsiny ireo mpitandro ny filaminana iray kamiao tonga teny an-toerana.
Behoririka - Nohalavaina ny fihazonana an'ireo mpitsabo telolahy. Anio indray, raha tsy misy ny fiovana, no atolotra ny Fampanoavana ireo mpitsabo telolahy avy eny Behoririka, nosamborin'ny polisy misahana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona, noho ny raharaha fanalan-jaza.
Nangonin'i




Ankazobe
Fiara sy vola enina tapitrisa ariary voaroba
Fianakaviana iray fiara avy any Mahajanga no sendra ny fanafihan-jiolahy tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, tao Ankazobe. Lasan'ny jiolahy ny fiara sy ny entana ary volabe.
Manjaka mihitsy ny fanafihana fiara amin'ireny lalam-pirenena lehibe ireny. Tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny indray, tao Ambohitromby tao Ankazobe, no nahitana izany, omaly maraina vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin'ny efatra ora. Fiara mpitatitra Mazda iray avy tany Mahajanga hiakatra ho aty an-drenivohitra no niharan'izany. Lasan'ireo jiolahy hatramin'ny fiara.
Navoakany avokoa ireo fianakaviana tao anatiny rehefa avy nosakanany, ary dia nentiny ny fiara. Ankoatra ireo entana maro sy sarobidy tao anatiny, toy ny vata fampangatsiahana, farafara, vata fahita lavitra, dia nisy lelavola mitentina enina tapitrisa ariary ihany koa.
Sady nihanjahanja sy vato boribory, araka izany, sisa ireto fianakaviana ireto nanaovan'ireo jiolahy azy satria tsy nisy afa-tsy izay hany lamba kely teny an-koditra sy mba notafiana tao anaty fiara.
Izay no nipetrahana teny an-tsisin-dalana sy niandrasana ny andro maraina namonjena ny borigadin'ny zandary nampandrenesana ny voina nahazo.
78 kilometra tsy hidirana an'Ankazobe ity toerana nanafihan'ny jiolahy azy ireo ity. Toerana mangina satria tsy misy tanàna manodidina azy. Vatobe no napetrak'ireo jiolahy teo amin'ilay toerana nanakanany ny lalana. Tsy afa-nandeha, araka izany ilay fiara ka nijanona. Kanjo raha vantany vao tafajanona izy dia efa-dahy nirijarija sy nitam-basy no nipoitra, nihazakazaka avy tany anaty kirihitr'ala. Ary tonga dia nibahana teo anoloana sy nanodidina ny vatan'ny fiara.
Nitam-basy avokoa ny roalahy tamin'ireto jiolahy. Basy poleta sy karazan'ireny basy mitraillette ireny no nentiny. Ny sisa kosa kobay sy vato no teny an-tanany. Tsy vitan'izany, araka ny fanazavan'ireo niharam-boina tamin'ny zandary, fa sady nanao fanamiana miaramila ireo jiolahy nanafika azy.
Nambanan'izy ireo ny olona tao anatiny ka nasainy nivoaka ny fiara. Dia izy efa-dahy no niditra tao anatin'ny fiara ary nitondra azy.
Efa-mianaka izy no tao anatin'ilay fiara. Nisy mbola zaza menavava satria vao tera-bao vao haingana ilay renim-pianakaviana tao anatiny. Tany Mahajanga izy ireo no nipetraka.
Saingy niakatra, nifindra monina ho aty Antsirabe. Ary izay no nanofany fiara mpitatitra. Sady hitondra azy mianakavy mivantana ho any Antsirabe no hitaterana ny entana. Nefa moa dia izao tratry ny jiolahy teny an-dalana izao.
Fanindroany izao no nisian'ny fanafihan-jiolahy ny fiara mpitatitra toy izao tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ary mitovitovy foana ny fomba fanaony. Izany hoe samy misalotra fanamiana mpitandro ny filaminana sy mitam-basy. Misokatra indray, araka izany, ny fikarohana.




Ambohimanarina
Halatra siramamy 30 taonina niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana, omaly, tao amin'ny Fitsarana heloka bevava ilay raharaham-pamakiana magazay fitoeran'entana teny Ambodihady Ambohimanarina, ny 18 marsa teo, ka nahaverezana siramamy sy lafarinina milanja 30 taonina.
Sivy mianadahy no indray voampanga tamin'ity raharaha ity,
izay nahitana mpiambina an'ilay magazay, mpamily kamiao sy mpandray ny entana. Saingy ny roalahy tamin'ireo ihany no tonga niatrika ny fitsarana.
Anisan'izany ilay mpiambina ny magazay, izay nohelohin'ny fitsarana higadra an-tranomaizina mandritra ny roa taona.
Nandà ny fiampangana azy izy ary nambarany fa nanao ny asany ara-dalàna amin'ny fiambenana ny magazay. Saingy noho ny fandrahonana nataon'ireo jiolahy mpanafika azy, fanambanana amin'ny basy sy famatorana ny tongotra aman-tanana dia tsy afa-nanao na inona na inona.
« Manana kiririoka tokony ho nanairana ny manodidina izy. Saingy ny tanany tsy afa-naka izany tao am-paosy noho ny fatotra. Ka dia nanjaka ireo jiolahy nandroba sy nitatitra ny entana », hoy ny mpiaro azy.
Mifanohitra amin'izay anefa ny takian'ny Fampanoavana ambony satria aminy dia misy ny firaisan-tsikombakomba nataon'ity mpiambina ity tamin'ireo jiolahy izay nanamora ny fangalarana ny entana. Ka notakiany ny hampiharana ny sazy aminy.
Didy fampisamborana
Ilay lehilahy iray niaraka voampanga taminy moa nahazo fahafahana noho ny fisalasalana. Ity iray indray kosa dia noho izy tratra niresaka tamin'ilay mpamilin'ilay kamiao nitatitra entana teny Ambodivona no nahatafiditra azy tao anatin'ny raharaha.
Ankoatra ity mpiambina ity dia voampanga dimy hafa no indray nosazian'ny Fitsarana heloka bevava. Ny telo nohelohina hanao asa an-terivozona mandritra ny dimy taona, ny roa ambiny kosa nosaziana higadra mandritra ny telo taona, efaina sazy mihantona. Ary narahina didy fampisamborana avokoa izany ho an'izay tsy tonga niatrika fitsarana.




Fitsarana
Nohelohina dimy taona ilay tovolahy
Sazy dimy taona, asa an-terivozona, no nampiharin'ny Fitsarana heloka bevava an-dRandrianasolo, voampanga ho namono olona tany Ankazobe ka nitarika fahafatesana ho azy, ny volana jolay 2007.
Raim-pianakaviana iray, Rasolofoarimanana Gilbert no nanaovany izany herisetra izany, notsindroniny ny antsy teo amin'ny kibony. Nentina notsaboina tany amin'ny hopitaly izy ary tsy tana ny ainy rehefa afaka telo andro.
Niaiky ny fiampangana azy ny voampanga. Izany hoe ny fikasihany tànana an-dRasolofoarimanana Gilbert. Saingy nambarany fa fiarovan-tena tamin'ny famelezan'ity raim-
pianakaviana ity taminy no nataony.
« Antsy teny an-tanany saika hamelezany ahy ihany no voaraiko ary natsindroko azy », hoy izy tamin'ny fanontanian'ny mpitsara taminy. Nambarany, araka izany, fa tsy nivimbina antsy avy tany an-tranony izy no tsy nieritreritra ny hamono azy.
Marihina fa lanonana teo amin'ny hasoavan-jaza tao amin'ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity no nisehoan'ny raharaha.
Niditra tao an-tranon'i R Gilbert ny voampanga tamin'io alina io, ka tonga dia nihetraketraka nandray ny radio-kasety naneno tao an-trano.
Nosakanana izy tamin'izay ary teo no nandraisany antsy izay efa tany aminy tany, araka ny voarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady, ka namelezany an'ilay raim-pianakaviana.
Tsy tonga niatrika ny fitsarana moa, omaly, ny mpitory.




Fanalan-jaza
Afaka manasazy dokotera ny holafitry ny mpitsabo
Hiakatra fitsarana amin'ny faha-17-n'ny volana aprily izao, ao amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy, ireo mpitsabo telolahy teny Behoririka voarohirohy ho nanao fanalan-jaza tao amin'ny toeram-piasany.
Natolotra ny Fampanoavana tao Anosy, omaly, mantsy izy ireo, rehefa avy nohadihadian'ny polisim-pirenena avy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona. Nivoaka ny didin'ny Fampanoavana, ary dia nomena fahafahana vonjimaika avokoa ireto mpitsabo.
Efa hatramin'ny zoma teo ireto mpitsabo ireto, raha tsiahivina ny raharaha, no efa tao amin'ny polisy, nanaovana fanadihadiana. Voalaza fa noraofin'ny polisy hatramin'ny fitaovam-piasany mihitsy tamin'izany, ho porofon'ny asa nataon'izy ireo. Ary noho ny fitarainana nataon'olona tamin'izy ireo ka tonga tany amin'ny polisy no niaingan'ny fisamborana.
Eo amin'ny lafiny lalàna dia marihina fa voarara ny fanalan-jaza, araka ny voarakitra ao anatin'ny fehezan-dalàna famaizana, andininy 317. Samy voakasik'izany avokoa avokoa na olon-tsotra na mpiasan'ny fahasalamana, eny fa hatramin'ny vehivavy mitondra vohoka ka manao izany.
Herintaona ka hatramin'ny dimy taona am-ponja, miampy fandoavan-damandy hatramin'ny 360 tapitrisa ariary ny sazin'izay minia ka mikasika hanao izany.
Raha mpitsabo na mpiasan'ny fahasalamana no manao izany dia sazy fampidirana am-ponja mandritra ny dimy ka hatramin'ny 12 taona, miampy fandoavan-damandy mitentina 300 000 ariary ary fampiatoana amin'ny asa mandritra ny dimy taona ny fanaovana izany. Raha ny reny bevohoka kosa dia sazy enim-bolana ka hatramin'ny roa taona an-tranomaizina, miampy fandoavan-damandy roa tapitrisa ariary ny saziny.
Mikasika ny mpitsabo manokana moa dia nambaran'ny mpitsabo iray fa na dia ny holafitry ny mpitsabo aza, ankoatra ny didy avoakan'ny fitsarana, dia mbola afaka mandray fepetra amin'ireo olona izay tratra manao izany.




Raharaha 2002
Hotsaraina indray i Coutiti
Hiakatra fitsarana indray ny kolonely Coutity Assolant. Ilay manamboninahitry ny tafika niasa tany Antsiranana, izay voasaringotra tamin'ireny raharaha 2002 ireny. Raha fitsarana ady heloka tsotra no nitsarana azy hatramin'izay, izay marihina fa efa nahazoany sazy henjana (gadra mandrapahafatiny), dia fitsarana ady heloka bevava indray no hiakarany amin'ity indray mitoraka ity.
Ny talata 29 aprily ho avy izao izy no hiatrika izany, ka raharaham-panodinkodinana fitaovam-piadiana sy fanapariahana bala tao amin'ny toby nisy azy no hitsarana azy amin'izany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andoharanofotsy - Delegem-piraisana hiakatra fitsarana. Hotsaraina anio ao amin'ny Fitsarana ady heloka bevava ny delegan'ny kaominin'Andoharanofotsy teo aloha. Voampanga ho nanodinkodim-bolam-panjakana mitentina fito tapitrisa ariary izy. Ny sampan-draharaham-panjakana momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana no nanao ny fanamarinana ny fandehan'ny raharaham-bola tao amin'ity kaominina ity, ka nahatarafana izany.
Ivontovorona - Afaka ireo mpianatra voampanga ho nangalatra. Nafahan'ny fitsarana ady heloka tsotra madiodio, ny zoma teo, ireo mpianatra telo mianadahy voampanga ho nangalatra kojakoja amin'ny solosaina teny amin'ny oniversiten'Ivontovorona. Hatrany am-boalohany dia efa nandà ny fiampangana azy avy izy ireo. Tsy nisy rahateo ny porofo nentin'ny mpitory teo anatrehan'ny fitsarana nanamelohana azy.
Imerintsiatosika - Fatin-jazakely nalevina tamin'ny fasan'olona. Tafapaka eny anivon'ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao ny mikasika an'ilay fatin-jazakely nalevin'ny ray aman-dreniny teny amin'ny fasan'olona, teny Imerintsiatosika. Ny tompom-pasana izay zendana raha nahita ny zava-nitranga no nampiakatra ny raharaha.
Nangonin'i




Andoharanofotsy
Mpiasan'ny firaisana nohelohina
Mpiasan'ny firaisana tao Andoharanofotsy no voaheloka hanao asa an-terivozona dimy taona. Voampanga ho nanodinkodina volam-panjakana fito tapitrisa ariary mahery.
Noho ny fahabangan'ny volam-panjakana mitentina fito tapitrisa ariary tao amin'ny kaominin'Andoharanofotsy, ny taona 2006, dia nohelohin'ny fitsarana heloka bevava hanao asa an-terivozona mandritra ny dimy taona, Rasolondraibe Cyprien, lehiben'ny boriborin-tany tao an-toerana sady mpitantana ny volan'ny kaominina miditra sy mivoaka.
Tsotra ny tenin'ny Fampanoavana ambony tamin'ny taky nataony. « Tsy nanao ny asany ara-dalàna ny voampanga, toy ny fandrotsahana ny vola isam-bolana tany amin'ny mpamory hetra, ny fanisana ny vola, ny fiantsoana ny zandary raha hita fa nisokatra ny kaofra fitoerany. Nalainy ny vola, koa takianay ny fampiharana ny lalàna aminy », hoy izy.
Noeken-dRasolondraibe Cyprien mazava tsara teo anoloan'ny fitsarana, ary na tany amin'ny famotorana nataon'ny sampan-draharaham-panjakana momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana aza, ny fisian'ny fahabangan'ny vola tao amin'ny kaofra nohazoniny.
Saingy nolaviny kosa ny fakàna izany. « Sendra narary tampoka tao am-piasana aho tamin'io fotoana io, dia nody aloha. Ary tsy tadidiko raha voaidiko ny kaofra na tsia. Efa ny maraina handeha hiasa aho vao nahatsiaro izany. Tonga tany am-piasana aho ary nosintoniko ilay kaofra, ka nisokatra. Nojereko ny vola tao ary hitako fa nikorontana », hoy izy.
Fanodinkodinana misesy
Notsindriany kosa anefa fa tsy naka zandary izy fa dia nijanona fotsiny tamin'izao. Tatitra am-bava tamin'ny lehiben'ny distrika no nolazainy fa nataony.
Nijoro teo amin'ny toeran'ny mpangatak'onitra, nisolo tena ny fanjakana, ny teo anivon'ny sampan-draharaha momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, ka tamin'izany no nanipihany fa tsy nandrotsa-bola isam-bolana tany amin'ny mpamory hetra mihitsy ity mpiasan'ny kaominina ity. « Nilaza ny hamerina ny vola izy, nefa tsy voaveriny ara-potoana izany, ka dia izao nampiakarina izao ny raharaha ».
Mbola notsindrian'ity solotenam-panjakana ity ihany, fa feno fanodinkodinam-bolam-panjakana tao amin'ity kaominin'Andoharanofotsy ity. « Tsy izy irery, fa ny olona teo alohany aza dia samy nanodinkodina volam-panjakana daholo ary efa mandeha any ny dosie momba izany », hoy izy.





Anjanahary
Simba saina ilay zaza nalaina an-keriny
« Ekeko tompoko fa naka an'ilay zaza aho ary nitondra azy sy nanery ny reniny hanome vola be ahy. » Izany avy hatrany no valin-tenin-dRakotonandrasana Solonjatovo Benjamina, izay voampanga ho nanao an-keriny zazavavy kely fito taona, teny Anjanahary, ny 11 jona 2007, raha nanontanian'ny mpitsara izy. Notsaraina, omaly, mantsy ity raharaha ity, ka ity Solonjatovo ity mihitsy, raha ny fanazavana voarakitra ao anatin'ny antontan-taratasin'ady, no voalaza fa ati-dohan'ny fandehan'ny raharaha. Nitsotra izany avy hatrany teo anoloan'ny fitsarana koa moa izy.
« Noho ny fandroahana nataon'ny reniny ahy no nahatonga ahy hanao izany. Ary nantsoiko ny namako, Raveloson Jean Marc », hoy izy. Io namany io no nasainy niantso ny renin'ilay zaza nitakiana vola mitentina folo tapitrisa ariary, nidina ho efatra tapitrisa ariary, nony farany. Nefa moa dia sarona tamin'ny fotoana tsy nampoizina ny tetika.
Raha ny fanazavan'ny renin'ity zaza, Rabodonirina Voahangy, dia nisy fiovana mihitsy ny toe-pahasalaman-janany taorian'iny raharaha iny. « Lasa verivery saina izany izy ary donina foana vao manao zavatra », hoy izy. Nambarany fa na ny fianaran'ilay zaza aza simba mihitsy.
Ilay tarehin-javatra nihatra tamin, no nosoritan-dreniny fa tena nampahatahotra azy ka nahatonga azy toy izany.
Tsy hafa moa i Solofonjatovo naka an-keriny azy ity fa fianakavian'ity zaza ihany ary efa nipetraka tao aminy.




Antsirabe
Tovolahy maty irery tao an-tranony
Zazalahy vao 20 taona no maty irery tao an-trano, ao amin'ny kaominina ambanivohitra Soanindrariny, ny alarobia 9 avrily lasa teo. Mpianatra tao amin'ny kilasy voalohany, tao amin'ny sekoly tsy miankina « Sainte-Geneviève » izy, fa avy any amin'ny kaominina ambanivohitra Manandona ny tena fiaviany. Samy ao anatin'ny distrikan'Antsirabe II ireto kaominina roa ireto.
Araka ny vaovao azo avy any an-toerana, handeha hiantso azy ireto mpiara-mianatra taminy, ny marainan'io alarobia io. Nandondona mafy ny varavarana nisy azy, nefa tsy nisy namaly.
Nopoirin'ireto namany tokoa ilay varavarana. Vatana mangatsiaka no hita teo ambony farafara. Nampandre haingana ny talen'ny sekoly ireto namany. Teo noho eo dia nampandre ny manam-pahefana.
Araka ny fizahana nataon'ireo tompon'andraikitra dia sempotry ny setroka avy tamin'ny afon-tsaribao tao an-tranony ity tovolahy ity ka izay no nahafaty azy.




Fangalarana basy
Miaramila niakatra Fampanoavana
Niakatra tao amin'ny Fampanoavana, omaly, ny raharahan'ilay fangalarana basy tao amin'ny toby miaramila tao amin'ny RTS (Régiment de transmission et de service). Efa tany amin'ny volana septambra 2007 tany no nitrangan'ity raharaha ity. Maromaro ihany ireo miaramila nohainoan'ny zandary momba azy ity, nisy hatramin'ny manamboninahitra. Saingy tsy mbola nifarana ny raharaha. Izany hoe nitohy mangina tao ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra. Ary izao vao niakatra ny Fampanoavana.
Miaramila telo lahy izy no nentina nohainoana teny an-toerana. Mbola hitohy anio ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ambohitrarahaba - Lehilahy maty nanakapo-doha. Namoy ny ainy rehefa avy nanakapokapoka ny lohany tamin'ny tany ity lehilahy iray nonina teny Ambohitrarahaba. Notorian'olona tany amin'ny zandary mantsy izy fa hoe nangalatra kojakojan-dakozia. Ary izay no nahatezitra azy ka nahatonga azy nanao an'izao fihetsika toa famonoan-tena izao. Ny ampitson'ny nisamboran'ny zandary azy izy, ny 12 aprily teo, no namoy ny ainy.
Fanolanana - Zandary voampanga nohafahan'ny Fitsarana. Nohafahan'ny Fitsarana heloka bevava, omaly, ilay zandary voampanga ho nanolana tovovavy kely. Nohidiana tao amin'ny violon teny Ambohimanambola, ny volana septambra 2007 teo izy io. Sady nandohalika izy teo anoloan'ny fitsarana no nitomany raha vao nandre ny didim-pitsarana nanafaka azy.
Tsiroanomandidy - Dahalo telo tratra niaraka tamin'ny basy. Avotry ny zandary avy ao Tsiroanomandidy, ny alatsinainy teo, ny omby sivy norobain'ny dahalo tao Antsahatanteraka fokontanin'Ambatomainty, amin'iny distrikan'i Tsiroanomandidy iny. Dahalo telo ihany koa no voasambotra tamin'izany. Ny iray lasa nitsoaka.
Nangonin'i




Fitsarana
Voaheloka ilay kolonely ny prezidansy
Nosazian'ny fitsarana higadra mandritra ny roa taona sy handoa lamandy iray tapitrisa ariary amin'ny fanjakana ilay kolonely niasa tao amin'ny prezidansy.
Nohelohin'ny Fitsarana ady heloka tsotra ilay kolonely, Ralaizanaka Gilbert, niasa teny anivon' ny fiadidiana ny Filohan'ny Repoblika. Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana ka sazy famonjana mandritra ny roa taona, miampy fandoa-
van-damandy iray tapitrisa ariary no nampiharin'ny
fitsarana taminy.
Niara-voaheloka taminy ihany koa, sy niharan'io sazy io, ny sivily lahy iray. Nisy koa sivily faharoa voasazy 18 volana an-tranomaizina.
Izy telo voampanga ireo dia nodidian'ny Fitsarana handoa onitra 15 tapitrisa ariary amin'ny orinasa Ranjanoro, izay nanaovan' izy ireo fihetsika hafahafa ka nitondra ny raharaha teo anoloan'ny fitsarana. Mpandraharaha amin'ny raharahan-kazo ity orinasa Ranjanoro ity. Nitakian'izy telolahy vola tamin' ny alalan'ny fampisehoan-karatra maha mpiasan'ny prezidansy azy izy io.
Fisolokiana andraikitra amin'ny alalan'ny fampisehoan-karatra matihanina maha mpiasan'ny prezidansy, firaisana tsikombakomba amin'ny fisolokiana, ireo no niampangana an'ity manamboninahitra ity raha tsiahivina ny raharaha. Asa fisolokiana kosa ny an' ireo sivily roalahy nomeny karatra.
Marihina fa izy rehetra ireo dia samy nandà avokoa ny fiampangana azy teo anoloan'ny fitsarana.




Marais Masay
Nohelohin'ny fitsarana indray i Charles kely
Tratran'ny Fitsarana heloka bevava indray i Charles kely na Rakotomanana Charles, ilay jiolahy kalaza amin'ny resaka fanafihana mitam-basy. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandritra ny dimy taona, miampy dimy taona tsy fandiavam-paritany indray mantsy, omaly, ny lehilahy.
Fanafihana mpifankatia niaraka teny amin'ny lalan'i Marais Masay, ny volana mey 2007 teo, no nitsarana azy tamin'izany.
Enin-dahy izy ireo no nanafika an'ireto mpifankatia ireto, ka sady nitam-basy, nanambana azy ireo, no nitifitra big-boss teny amin' ny tarehiny. Lasan'izy ireo tamin'izany na vola, nisy 760 000 ariary, na finday na fitafiana. Niezaka ny niala bala ho tsy nandray anjara tamin'io fanafihana io teo anatrehan'ny fitsarana ihany ny lehilahy. Nefa tsy afaka noho ireo finday roa an' ireto olona notafihiny ireto tratry ny polisy teny aminy. Ary izay no notsindrian'ny Fitsarana sy ny teo amin'ny Fampanoavana ambony amin'ny fanamarinana ny fiampangana azy.
Ireo olona niharam-boina rahateo koa moa, tao anatin'ny antontan-taratasin' adiny novakiana teo amin' ny fitsarana (satria tsy tonga niatrika izany izy ireo) dia nanamafy ny fahatadidiavany an'i Charles kely ho nanafika azy. « Ampy ny porofo ary takianay ny fampiharana ny lalàna aminy », hoy ny Fampanoavana ambony tsy nihambahamba.
Ankoatra ny fanafihana mitam-basy, nisy efa nahazoany sazy, izay mampahalaza an'i Charles kely dia fantatra ihany koa fa efa tafiditra tamina raharaha fakana an-keriny ny lehilahy, ary natsidika teo amin' ny fitsarana izany, omaly.




Fanabeazana
Mitety sekoly ny tantaran'i Jacques Rabemananjara
Taorian'ny fampirantiana ny tantaram-piainan'i Jacques Rabemanjara, mpanoratra sady olomangam-pirenena, teny anivon'ny tranom-bokim-pirenena Ampefiloha, dia nentina nitety sekoly indray izy io. Ny lycée-n'ny vondrom-panabeazana Aceem eny Ankadivato no nanom-bohan'ny minisiteran'ny Kolontsaina izany, omaly.
Nambaran'ny tompon' andraikitra misahana ny raharahan'ny kolontsaina eo anivon'ity minisitera ity, Rakotonaivo Julien, fa anisan'ny tafiditra ao anatin'ny fandaharam-pianaran'ny mpianatra amin'izao fotoana izao ny kolontsaina. Ary izany no antony nitondrana azy eny anivon'ny sekoly. Ny tanjona dia ny mba hahafantaran'ny mpianatra ny kolontsaintsika sy ny tantaram-piainan'ny firenentsika, satria tsy mpanoratra fotsiny ihany i Jacques Rabemananjara fa sady mpitolona ihany koa, tamin' ny raharaha 1947.
Sekoly telo isaky ny faritra no itondrana an'ity fampirantiana ity. Sekolim- panjakana, sekoly miankina amin'ny finoana ary sekoly tsy miankina, iray avy.
Noho ny Lycée Aceem manara-penitra no antony nifidianana azy tao anatin' ny maro. Nanipika moa ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana Aceem, Ratrema William, fa tsy mivaona amin'ny tarigetran'ny vondrona izao hetsika izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Halatra basy - Mpiandraikitra ny magazaim-pitaovam-piadiana nofotorana. Miaramila telo hafa indray, omaly, no nentina nofotorana teny anivon'ny lehiben'ny Fampanoavana teny Anosy. Anisan'izany ny mpiandraikitra ny magazain'ny fitaovam-piadiana tao amin'ny toby RTS.
Ambohitrimanjaka - Fanerana vehivavy nahazoana sazy. Telolahy nanera vehivavy teny Ambohitrimanjaka no nohelohin'ny fitsarana higadra dimy taona an-tranomaizina, efaina sazy mihantona, omaly. Tovovavy iray no nofitahin'izy ireo mba hiaraka amina mpitandro filaminana. Izy io no nitondra ny raharaha teo anivon'ny Fitsarana.
Nangonin'i




Inona no tena marina ?
Raha tonga teny Ivato ny filoham-pirenena tamin&#039; ny alahady dia nilaza mazava fa tsy manana antony manokana hanakanana an&#039;i Rossy tsy hanao fampisehoana eto Madagasikara.
Ny mahagaga anefa dia ny talata teo dia mbola nanamafy indray ingahy minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina fa mbola tsy azo atao izany.
Ny feon'iza ary no henoina eto amin'ity firenena ity. Ingahy Patrick Ramiaramanana ve no lalodalovana ka tsy naheno tsara izay nolazain'ny filoha sa ny filoha no mody tsy miady nefa ny kibay ankelika ihany?
Fanina ny mpijery nefa tsy mbola manomboka akory ny Tapolaka. Raha misy ny fandrarana tsy mahazo manao lanonana noho ny toe-draharaham-pirenena dia tokony mamoaka naoty an-tsoratra ny ministeran'ny ati-tany
mandritry ny filankevitry ny ministra.
Tsy mbola nisy teto ny ministeran'ny Kolontsaina afaka mandrara fampisehoana. Sa dia efa azo atao daholo rehefa mahatsara ny fitondrana.
Aiza ve dia rahom-bava no ifampiresahana amin'ny mpikarakara fampisehoana. Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nisy fandrarana voarakitra an-tsoratra izay tokony atao raha tany tan-dalàna tokoa i Madagasikara. Mahamenatra ihany raha toa ka ny vahiny avela malalaka hanao fampisehoana nefa ny tompontany indray no fefena.
Razilinah
Antehiroka




La Réunion
Air France maintient le cap sur l'océan Indien
Air France continue à mitonner son projet de réseau régional dans l'océan Indien rayonnant au départ de la Réunion. Le directeur régional commercial et celui des ventes d'Air France-KLM viennent d'effectuer une mission discrète à Mayotte.
La rumeur courait qu'Air France envisageait ni plus ni moins qu'une liaison long-courrier directe au départ de l'île aux Parfums vers la métropole. En fait, les deux responsables seraient simplement venus pour préparer la reprise à partir du 10 juin prochain des vols de Kenya Airways entre Pamandzi et Nairobi.
« Nous avons des vols long-courriers partout dans la région », affirme Béné-dicte Pellerin, directrice régionale d'Air France à la Réunion. Cette dernière confirme cependant « une étude de faisabilité d'un projet de desserte régionale avec un Airbus A320 dont Dzaoudzi fait intégralement partie ».
L'intention d'Air France de reprendre pied sur le réseau régional dans l'océan Indien est un secret de Polichinelle. Air France affiche sa volonté de « contribuer au développement du trafic régional (...) en affectant un Airbus A 320 au service de la desserte régionale océan Indien basé à la Réunion. »
© JIR




Hosoka
Raim-pianakaviana voaheloka telo taona
Ny faniriana ho any an-dafy no nanosika an'ity raim-pianakaviana iray hanao hosoka tamin'ny antontan-taratasy momba azy. Niakatra fitsarana izy, omaly, ka voaheloka telo taona.
Sazy telo taona an-tranomaizina, omaly, no nampiharin'ny Fitsarana heloka bevava an'ity raim-pianakaviana izay voampanga ho nanao hosoka tamin' ny antontan-taratasy momba azy ka nahafahany nivoaka tany ivelany.
Raha ny voalazan'ny antontan-taratasin'ady novakiana teo anatrehan'ny fitsarana, dia tototry ny fiampangana tokoa ity raim-pianakaviana ity satria fiampangana karazany enina no indray nitsarana azy tamin' ity raharaha ity.
Tao ny fanaovana hosoka sora-piankohonana, ny hosoka tamin'ny kara-panondrom-pirenena, ny hosoka tamin'ny pasipaoro, ary ny fampiasana azy ireo tsirairay avy izay nahazoany fiampangana tsirairay torak' izany koa. Anaran'olon-kafa no nisalorany tamin'izany. Ka ny consulat de France no nahatratra azy. Marihina fa efa tany ivelany izy no tratry ny manam-pahefana frantsay, ka nampodiana avy hatrany teo Madagasikara.
Niaiky ny fiampangana azy izy sady nifona teo anatrehan'ny fitsarana, na dia nisy nolaviny aza tamin'izy ireo. Notsoriny fa ny mba hivoaka any ivelany,
hanatsarana ny fiainan'ny fianakaviany no antony nanosika azy nanao sy nampiasa ireo taratasy hosoka momba azy ireo.
Nanamarika ihany koa moa ny mpitsara fa ny heloka ibabohana mody rariny. Ary izay no nentin'ny mpiaro azy nangataka tamin'ny fitsarana, tamin'ny fandaharana izay nataony noho izay fiaikeny izay sy fahatsorany nilaza ny faniriany, ny mba hanomezana azy sazy faran'izay ambany na sazy mihantona.
Nanoloana izay rehetra izay dia tsy nihanona fotsiny teo amin'ny fanomezana sazy ho an'ny voampanga ny mpitsara, na ny mpiaro azy ihany koa aza, fa nanipy teny fananarana ho azy sy ireo manaotao foana satria, entim-paniriana ny ho any an-dafy.
« Ny faniriana tsy tokony hanaovan-javatra tsy ara-dalàna. Aleo ihany, na mahantra aza, mijanona eto Madagasikara, satria zava-dehibe ny fahafahana, toy izay mankany an-dafy manao fangalam-piery lava amin'ny polisy », hoy ny mpitsara.




Analalava
Kapoka fananarana nahafaty ny zanaka
Tratry ny patsa iray tsy omby vava, ny alakamisy teo, ity raim-pianakaviana avy ao Analalava, nanan-janaka. Kapoka fananarana mantsy no nokendreny hatao tamin'ity zanany
lahikely, 13 taona. Nefa fahafatesana tampoka no nitranga.
Tsy fantatra raha nahavoa faritra saro-pady tampoka izany kapoka nataony an-janany izany, fa telo andro monja
taorian'ny nikapohany azy ilay zazalahikely dia namoy ny ainy.
Ny sefom-pokontany tao an-toerana nipetrahan' izy ireo mihitsy, nony nitranga ny fahafatesana teo amin'ilay zazalahy, no tonga nanatona ny biraon' ny zandary nampandre ny zava-misy. Efa mandeha moa ny famotorana amin' izao fotoana izao.




Andranotapahina
Karana dimy lahy nohadihadian'ny Fampanoavana
Momba ny raharahan'ilay Karana lahy iray, Jakir Abasse Rizwi, izay maty nisy namono ary navarina teny amin'ny ranon'Andranotapahina, no voalaza fa antony namotorana azy ireo. Ny telo amin'izy ireo no voalaza fa ahiahiana ho namono an'ity Karana lahy ity.
Nangonin'i




Artistes professionnels
La ville de Paris propose une résidence-création
Avis aux professionnels des arts. Chaque année, la direction des affaires culturelles de la ville de Paris et le ministère français des Affaires étrangères et européennes apportent leur soutien aux artistes professionnels des autres pays. Il s'agit d'offrir une résidence-création de trois mois aux artistes au Centre international de Récollets, Paris.
L'appel à candidature 2009, pour la cinquième édition de ce programme de résidence initié en 2003, est donc récemment lancé à l'adresse des écrivains et artistes confirmés de toutes les disciplines.
Cependant, ces derniers doivent avoir à leur actif un parcours professionnel d'envergure internationale. Un jury de métier, renouvelé tous les ans, sélectionnera les bénéficiaires de ce stage.
Le choix se fera sur la base d'un projet que le candidat développera à Paris durant sa résidence. Il faut que ledit projet soit réalisable avec une institution artistique parisienne, ou qu'il s'inscrive dans une démarche de recherche personnelle.




Mahajanga
Un ballon de football pour les jeunes
Une cérémonie simple mais symbolique. Le consul du Japon au Brésil a offert, jeudi, un ballon de football de qualité professionnelle (de marque Offside) au directeur régional des Sports à Mahajanga, Jeannot Ravonimbola.
La remise officielle du ballon a été effectuée par l'entremise de Yuko Nakakubo, coordinatrice et experte de la mission de coopération japonaise JICA. Cette personne travaille pour le projet d'amélioration du service de santé maternelle, néonatale et infantile à la direction de la santé de Mahajanga, depuis trois mois.
Le directeur régional de la santé, Nirina Arison Ravalomanda, a assisté à la cérémonie. Le consul du Japon résidant au Brésil, Haruyi Miura, a rencontré récemment une délégation majungaise composée d'infirmières ayant participé à un stage au Brésil.
Le diplomate a profité de l'occasion pour offrir le ballon. Le geste, significatif, renforce la coopération nippo-malgache et encourage le football malgache, en crise actuellement.
Le ballon sera remis à un club de jeunes joueurs ce jour.





Sambo nivadika tany Toliara
Telo no maty, iray tsy hita popoka
Nivadika tany an-dranomasin'i Toliara ny sambo kely iray, ny zoma teo. Telo tamin'ireo mpandeha no namoy ny ainy, ny iray hafa tsy hita popoka, ny 14 ambiny avotra soa aman-tsara.
Nitrangan-dozam-pifamoivoizana an-dranomasina tany amin'iny morontsirak'i Toliara iny, ny zoma tolakandro teo, tokony ho tamin'ny telo ora.
Sambo kely iray nitondra mpandeha 18 avy amin'ny fianakaviana iray, no niharan-doza tamin'izany, nivadika teny ampovoan-drano tsy lavitra ny morontsiraka.
Renim-pianakaviana roa, teratany vahiny Bourficot (59 taona), sy malagasy Razanatsoa Florine (55 taona), niaraka tamin'ny zaza iray, Razakarison Herinjaka (efa-taona), no indray namoy ny ainy tamin'izany. Tafahitsoka tao anaty « cabine » kely tao anaty sambo izy ireo, raha ny vaovao azo avy tany an-toerana, ka izay no nahavoa azy satria nihitsoka tao.
Ankoatran'ireto telo mianaka namoy ny ainy dia mpanampy vavy azy ireo, antsoina hoe Fara, no tsy hita popoka.
Ny sisa moa avotra soa aman-tsara, voavonjin'ireo mpanjono kely nandeha lakana, izay nampandre ny zandary sy ny manam-pahefana avy eo.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, dia ny rivotra nifofofofo mafy tany an-toerana no nahatonga ny loza teo amin'ity sambo ity. Nisamboaravoara mafy mantsy ny ranomasina ka tafiditra ny rano tao anatin'ny maotera voalohany an'ilay sambo. Minitra vitsy taorian'izay dia tafiditra ny rano koa ilay maoterany faharoa. Ka dia natopatopan'ny onja teny ilay
sambo ary dia nivadika no niafarany.
Niainga tao Saint-Augustin maraina ho any Anakao ity fianakaviana. Hamonjy mariazy no anton-diany, nefa dia io tra-doza teny ambony rano io.
Renin'ireo tanora roa hatao mariazy avokoa ireo namoy ny ainy ireo. Ilay vazaha vavy renin'ilay tovolahy ary ilay vehivavy malagasy kosa renin'ilay tovovavy.
Soa ihany fa raha vantany vao voa ny motera dia namily ny sambo hamonjy ny moron-dranomasina ny mpanamory azy, ka mora hitan'ireo mpanjono madinika.




Ambohidratrimo
Talen-tsekoly voatsatok'antsy
Talen'ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohidravaka, Raharimbolasoa Marielle Hanitra, ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo, no nisy nanafika tany an-toerana, ny zoma antoandro teo. Teny an-dalana hody any aminy izy no tratr'izany loza izany, ka sady naratra mafy no tsy mahatsiaro tena amin'izao fotoana izao.
Rakotry ny dian'antsy ny vatany, indrindra fa ny lohany. « Teo amin'ny lohany no tena betsaka dian'antsy, ary nisy lasa lalina nahakasika ny ati-dohany mihitsy, nahatratra folo santimetra any ny halaliny », hoy ny vadiny mikarakara azy eny amin'ny hopitaly.
Lavitra be, misy eo amin'ny valo kilometra eo miala ny tranony, no misy ny sekoly iasany ka teny an-dalana hody indrindra izy tamin'io fotoana io no notafihin'ny jiolahy.
Ny poketrany no nosoritan'ity vadiny fa tsy hita teny aminy, tamin'ny fotoana namonjeny azy. Izy moa efa nitsirara tamin'ny tany, sady nivoa-dra no nihosom-bovoka. « Raha ny fahitàna azy sy ny zava-nisy teo amin'ny manodidina nahitàna azy dia tena nifanjevo tamin'ireo jiolahy mihitsy izy. Ny lalana nahitàna dian-dra, ny tanany feno dian'antsy. Ary mety ho nanohitra an'ireo jiolahy mihitsy izy tamin'izany », hoy ihany ity vadiny.
Noho ity vadiny tara fodiana tao an-trano moa no nanosika an'ilay raim-pianakaviana hitsena azy. Kanjo loza no hitany !




Fenoarivo Atsinanana
Taolam-paty iray harona hita
Taolam-paty iray harona no hitan'ny fokonolona tany amin'iny faritr'i Fenoarivo atsinanana iny, tao amin'ny kaominin'Ampasimbe Manatsatrana, ny herinandro lasa teo. Tany anaty kirihitr'ala no nahitan'ny fokonolona azy ity, ka olona sendra nitsaka tao anatin'izany no nahatsikaritra azy.
Ireny harona plasitika ireny no nasiana azy. Taolan-dava avokoa izy ireo, raha ny fanazavana azo avy tamin'ny zandarimariam-pirenena.
Efa nalain'ny zandary, ary nalevina any amin'ny fasam-bahiny moa ireo taolana ireo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ambatomainty - Omby 60 lasan'ny dahalo. Ny tanànan'Ambalakanjaka, ao amin'ny kaominin'i Marotsialeha, ao anatin'ny distrikan'Ambatomainty indray, ny alakamisy teo no notafihin'ny andian-dahalo. Dahalo fito no indray nanafika tao. Basim-borona roa no nentiny, izay nitifirany an'ireo fokonolona nanenjika azy. Omby 60 no indray noroahiny tao.
Tsiroanomandidy - Dahalo telo voasambotra. Notoherin'ny fokonolona ny fanafihan'ny dahalo ny tananany tany amin'iny distrikan'i Tsiroanomandidy iny, tao Antsahatanteraka, fokontanin'Ambatomainty, ny 13 aprily teo. Dahalo telo no indray tratran'izy ireo tamin'izany, azony sambo-belona. Efa-dahy izy ireo, ka lasa nandositra ny iray. Nitondra basim-borona anefa izy ireo. Omby sivy moa no voaroba tamin'izany.
Nangonin'i




Tokony hojerena ny fampidirana alika
Hita sy fantatra ary tsikaritra isan'andro vaky ny tsy mampandry mandry ny vahoakan'Antananarivo sy ny manodidina.
Toa tsy mahatoky intsony ireo mpitandro ny fandriampahalemana izy ireo ; tsy afaka ny hiandry izay hataon'ny manam-pahefana amin'ny fiarovana ny ainy sy ny fanany izy.
Noho izany dia samy manao izay saim-patany ny tsirairay ka ny hitany ho tena fiarovan-tena akaiky sy haingana dia ny miompy ireo antsoina hoe «chiens dangereux» - alika mahavanon-doza toy ny Rottweiller sy Pitt-bull, be mpitady indrindra amin'izao fotoana izao. Mikaro-dalana ny mpanelanelana maro amin'izay ivarotana ireny alika mahavanon-doza ireny. Mihainga any amin'ny 500 000 ariary miady varotra ny vidiny, mbola zanany. Na eo aza ny fahasarotan'ny fiainana, tsy misalasala izay manam-bola hividy.
Iaraha-mahalala anefa ny zava-doza nitranga tamin'ireo olona izay miompy ireny alika ireny : ka ny zanaky ny ao an-trano ihany no hivadihany amin' ny tsy antony mazava.
Noho izany, tompoko, mangataka mba hisian'ny didy aman-dalàna fanta-bahoaka mikasika manokana ny fampidirana azy ireny eto an-tanindrazana, ny mpivarotra sy ny mpiompy. Tokony hisy ny lalàna manan-kery ampiharina avy hatrany amin'ny fomba hoenti-mitondra azy ireny eny an-dalam-be, any anatin'ny fitateram-bahoaka ary ny toerana ankalamanjana.
Aoka tsy hisalasala ianareo hanangana fepetra hentitra, sao sendra ny patsa iray tsy omby vava. Ny biby, biby ihany ; tsara ny hananana fiarovana nefa tsaratsara kokoa ny mitandro ny fiainam-bahoaka. Tompon'andraikitra eo amin'ny fandriam-pahalemana ianareo ka aoka ho mailo amin'itony alika mahavanon-doza itony.
Rakotobe Jean François




Brève
Minute
Antsalova - Récupération de zébus volés. Volés par six «dahalo» (bandits de grand chemin) dans la commune rurale d'Andranolava, district d'Antsalovana, 40 zébus ont été récupérés le 16 avril, dans la commune rurale de Bekopay. Les animaux appartiennent au chef du fokontany d'Ambohimena-Andranolava. Aucun suspect n'a été arrêté.
Recueillis par




Mahamasina
Teratany vahiny am-polony voatafika
Maivoky ny jiolahy indray ny teratany vahiny miisa 20 teny Mahamasina, ny asabotsy alina teo. Voaroba avokoa na finday na vola na firavaka volamena.
Mpizaha tany 20 eo no indray notafihin'ny jiolahy teny Mahamasina, ny asabotsy alina teo. Tao amin'ny trano fisakafoanana iray tao amin'ity toerana ity, tokony ho tamin'ny sivy ora alina sy fahefany tany, no nisehoan'ny raharaha. Jiolahy telo nitondra basy kalaky roa sy basy poleta iray no indray nandrava azy ireo tamin'izany. Tsy nisy nahagika na dia iray aza izy rehetra fa dia nanaiky fotsiny.
Ankoatra izay lelavola sy firavaka volamena teny amin'ireo vahiny dia tsy latsaka ny finday 18 no voaroban'ireo jiolahy tamin'izany.
Tsy nanapoaka basy izy ireo fa nanambana an'ireo vahiny tao sy nandroaka ny fananany, raha ny fanazavan'ireo nanatri-maso ny zava-nitranga. Ireo mpizaha tany ireo ihany koa no tena nokendren'izy ireo fa tsy nokitihany ny tompon'ilay trano fisakafoanana izay tafatsoaka rahateo. Tsy nisy nisaron-tava ireo jiolahy ary « fitafiana tsotra avokoa no nanaovan'izy rehetra », hoy ity lehilahy iray nitantara.
Nisandoka ho polisy
« Ambany amin'ny tany daholo. Aza misy mihetsika. Avohay daholo ny portables sy ny portefeuilles hatramin'ny firavaka volamena », hoy ireo jiolahy tamin'ireto teratany vahiny. Sady natondrony tany aminy ny vava basin'ireo kalaky roa teny aminy. Efa nivimbina sakaosy izy ireo nangoronany ny entan'olona.
Trano fandraisam-bahiny iray, teo anilan'ity trano fisakafoanana ity aloha no nidirany voalohany, raha ny fanazavana azo teny amin'ny manodidina. Mpiambina sivily roalahy no tazany teo am-baravarana ary nasainy niditra ny trano sy niondrika tamin'ny tany. Nitonona ho polisy izy telo lahy no sady nandrahona tamin'ny basy.
Rehefa tsy nahetsika ireo dia lasa nivoaka ny trano ny roalahy ary tonga dia niditra tao amin'ilay trano fisakafoanana, nanafika an'ireo teratany vahiny tao.
« Tsy naharitra ela fa teo amin'ny dimy minitra mahery kely teo no nanaovan'ireo jiolahy an'izany fanafihana izany », hoy ireo nahita. Poa toy izay ny namonjeny elakela-trano dia dify izy. Tsy nisy sahy nanakana na nanenjika ny olona. Ireo vahiny voatafika rahateo koa nibosesika nivoaka an'ilay trano fisakafoanana, namonjy ny fiarany ary lasa nitsoaka.
Lasibatry ny jiolahy mihitsy tato ho ato ny hotely na trano fandraisam-bahiny, ary tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin'ny faritra any, raha ny fanazavan'ny talen'ny « Fikambanan'ny mpandraharaha amin'ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoanana » (Ashort) teo aloha, Ravelojaona Louis, izay tratra antso omaly.
Mananika ny enina eo no voa tamin'izany raha ny teto an-drenivohitra manokana. « Ireo vahiny mihitsy no tena hazain'ireo jiolahy amin'izany, ka sady mahamenatra no manimba ny asan'ny mpandraharaha », hoy izy. Nosoritany fa hivory manoloana izao toe-javatra izao ireo mpandraharaha amin'ity asa ity ka hijery izay fepetra tokony horaisina, miaraka amin'ny tompon'andraikitry ny filaminam-bahoaka, hamahana ny olana.





Fanolanana
Vehivavy lehibe mpanera ankizivavy kely
Renim-pianakaviana iray manambady aman-janaka no nosamborin'ny zandary ny zoma teo, noho izy manera amin'ny fikarohana tovovavy hiaraka amin'ny lehilahy iray efa mananika ny 45 taona. Tao amin'ny tananan'i Mangarivotra-Soavinarivo, kaominin' Ambatolampy-Tsimahafotsy, no niseho ny tantara. Kopaka isasahana mihitsy ny azy roa lehibe ireto, raha ny fanazavana azo, satria mahazo ny karama kely tandrify ny asany ilay renim-pianakaviana isaky ny mahita ankizy hiaraka amin'ilay lehilahy.
Tovovavy manodidina ny 13 ka hatramin'ny 16 taona eo no tena jokoin-dramatoa amin'io resaka io ary efa hatrany amin'ny fiandohan'ny volana marsa tany no nanombohan'ny
asa ratsiny. Tsy latsaka ny dimy izao ny ankizivavy kely voajokony ka nomeny an'ity lehilahy lehibe ity.
Ankizivavy kely iray tao an-tanàna no nipoiran'ny raharaha ka nahatonga an'izao fahatrarana azy roa lehibe mpiray teti-dratsy izao. Rehefa nahatsapa zavatra hafahafa tamin'ny fitafian-janany mantsy ny renin'ity zaza, dia namotopototra azy ary teo no nitantarany tamin'ny antsipirihany ny fandehan-javatra rehetra. Niara-voasambotra tamin'ity renim-pianakaviana ity ihany koa ilay lehilahy lehibe
mpanimba zaza bodo.




Tontolo ambanivohitra
Amporisihana ny famokarana mitodika amin'ny tsena
Imasoan'ny fanjakana fatratra amin'izao fotoana, raha eo amin'ny sehatry ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, ny famokarana mitodika amin'ny tsena. Ary dia samy milofo fatratra amin'izany avokoa ireo tantsaha, indrindra fa ireo anatin'ny vondrom-pikambanana samihafa.
Ho an'ny « Firaisan-kinan'ny tantsaha eto Mada-gasikara » manokana dia nisy mihitsy ny fikaonan-doha notanterahin'izy ireo nandritra ny roa andro, ny herinandro teo, teny amin'ny Falda eny Antanimena, nandinihana an'ity famokarana mitodika amin'ny tsena ity, izay notohanan'ny « Southern african confederation union » sy ny Comesa.
Hatrany ifoton'ny fiainan'ny tantsaha mihitsy no nodinihina tamin'izany. Miainga eo amin'ny fananan-tany, ny fitaovana ho entiny miasa, ny fisafidianana ny voly na vokatra ilain'ny tsena, ny fikarohana lalam-barotra ... hatramin'ny fifehezana ny rano sy ny fampiasana zezika biolojika ... Nodinihina ihany anefa ny olana misy eny anivon'ny tantsaha eny. Ary izany rehetra izany dia noezahina nitadiavana vahaolana satria ny tanjona dia ny hampivoarana ny fiainan'ny tsantaha.
Tompon'andraikitra avy ao amin'ny minisiteran'ny Fambolena no anisany nanatrika izao fikaonan-doha izao teny an-toerana.




Ankadikely Ilafy
Mpanao zaridaina norambasan'ny alika
Ny alika fiambesany sy filalaovany ihany no nanaikitra an'ity tovolahy mpanao zaridaina iray, teny Ankadi-kely-Ilafy, omaly maraina. Norambasany teo amin'ny lohany sy teo amin'ny tanany. Naratra, araka izany, ny lehilahy ary tsy maintsy nentina namonjy ny toeram-pitsaboana.
Alika tsy vaovao amin'ity mpanao zaridaina ity io namoa-doza nivadika taminy io, raha ny vaovao azo. Ankoatra ny fifankahazaran'izy ireo ao an-tanàna, izy no manome sakafo azy. Saingy tsy fantatra izay nanjo an'ity biby tampoka teo. Teo am-piasana indrindra izy tamin'io fotoana io no nohaniny. Soa fa nisy mpiasa namonjy ka avotra teo amin'ilay vavan'ilay biby.
Zava-doza ny kaikerin'ny alika. Kanefa, na izany aza, dia mora ny fikarakarana azy raha sendra izany, araka ny fanazavan'ny mpitsabo. Sasàna amin'ny savony sy ny rano madio avy hatrany izay faritra voakaikitra dia lasa manatona haingana ny « Institut Pasteur » eny Avaradoha, satria tsy maintsy misy ny tsindrona hatao.




Ivato
Teratany afrikana tratra nitondra vato sarobidy
Vato sarobidy antsoina hoe « corindon », iray karazana amin'ny « rubis » sy ny « saphir », milanja 11,700 kilao, no saika hoentin'ity teratany gineana lahy iray, Fode Djiba Sylla (28 taona), antsokosoko any ivelany, omaly maraina. Tsy nahitàna taratasy fahazoan-dalana ahafahany mitondra izany mantsy teny aminy na dia kely aza.
Harona « sachet » no nasiany an'ireto vato ireto, ka teo amin'ny fitarafana nataon'ilay fitaovana lehibe ny entan'ireo mpandeha (scanner) teny amin'ny seranam-piaramanidin'Ivato, no nahatrarana azy. Nikasa ny handray ny fiaramanidina, MD 010 ho any Bangkok mantsy tamin'io fotoana io ny anao lahy. Nefa dia tsy tanteraka izany fa noraisim-potsiny teo amin'ireto entana notetehiny haondrana antsokosoko izy. Any Bangkok ity teratany vahiny ity no mipetraka fa mivezivezy eto Madagasikara.
Voalaza fa hakàna santionany ireto vato ireto ho entina hodinihana any amin'ny laboratoara manokana eny anivon'ny ministeran'ny Harena an-kibon'ny tany. Jerena amin'izany ny kalitaon'ilay vato ary avy amin'izany no hamaritana ny tokony ho teti-bidiny.
Eo am-pelatanan'ny manampahefana anaovana fanadihadiana ilay tovolahy amin'izao fotoana izao.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fiangonana Ankazomanga - Samy tompony ny FJKM sy ny FKPMA. Noraisin'ny eo anivon'ny « préfet de police » an-tanàna mihitsy ny disadisan'ireo mpivavaka etsy Ankazomanga, dia ny « Fiangonana kristianina protestanta malagasy eo Ankazomanga » sy ny FJKM. Nodidiana ho samy hanan-jo hivavaka ao ny roa tonta ary ny 20 jolay ho avy izao dia hisy ny referandaoma handanian'ireo mpino na hijanona ho FKPMA na hivadika FJKM.
Fanodikodinam-bola - Mpitsabo nohafahan'ny fitsarana. Latsa-dranomaso mihitsy, omaly, ny dokotera iray voampanga ho nanodikodim-bolam-panjakana tamin'ny raharahan'ny solomaso maizina nandritry ny eklipsa, ny taona 2001. Nohafahan'ny fitsarana heloka bevava madiodio mantsy izy raha nanohana ny didy nanameloka azy tamin'ny taona 2006. Mitentina 38 tapitrisa ariary ny vola nanjavona tamin'izany.
Sakaraha - Dahalo nifanehatra tamin'ny zandary. Vaky tady nandositra, tany Andranoteraka distrikan'i Sakaraha, ireo dahalo efa-dahy raha nahita an'ireo zandary nanao fisafoana ny tanàna. Nijanona kely niandry an'ireo omby am-polony norobainy tao Andranomangatsiaka izy ireo tamin'io fotoana io. Natahotra ka tsy nahakitika na naharay ny basim-borona sy ny lefona teny aminy.
Soalala - Tompon-trano voatifitra. Teo amin'ny sandrin'ilay raim-pianakaviana tompon-trano no voan'ny bala, tamin'ny fanafihan'ny dahalo azy tao Amboanara, kaominin' Andranomavo, distrikan'i Soalala, ny herinandro teo. Lasan' ireo dahalo avokoa na ny vola na ny fitafiana na ny basim-borona niaraka tamin'ny balany izay an'ity tompon-trano ity.
Nangonin'i




Vonoan'olona
Olona maty nohelohin'ny fitsarana
Zava-dehibe ho an'ny fitsarana ny fandrotsahana ny taratasy manambara ny fahafatesan'ny olona iray raha misy raharaha mahakasika azy ao. Voampanga lehilahy iray izao no tratry ny fanamelohana noho ny tsy fisian'izany, omaly.
Noho ny tsy fisian'ny taratasy mazava tonga any amin'ny fitsarana manambara ny fahafatesan'ity voampanga iray, Razafintsalama Randrianary R Henri, izay voampanga ho namono olona, dia nohelohin'ny fitsarana heloka bevava izy.
Asa an-terivozona mandritra ny folo taona no nampiharin'ny fitsarana taminy. «Tsy ampy ny filazana ny taratasy fahafatesany fa ny kopia manambara izany mihitsy no ilaina tonga aty amin'ny fitsarana. Tsy mino maty ny fitsarana raha tsy tonga izay. Noho izany dia heverinay ho toy ny mbola velona ihany izy».
Izay no fanazavan'ny mpitsara ny raharaha, raha nandray ny taratasy avy tany amin'ny fianakaviany milaza ny fahafatesan'ity olona ity izy, omaly, teo
am-panatanterahana ny fitsarana.
Nanazava ny mikasika izany, ary nanamafy teo amin'ny fitsarana, ny fahafatesan-dRazafintsalama R. Henri, ireo renim-pianakaviana roa voampanga niaraka taminy, fa tsy te-hahafantatra izany ny fitsarana. Na ny teo amin'ny Fampanoavana ihany koa aza nanaiky sy nanamafy izay voalazan'ny fitsarana izay. Ka dia notsaraina ny raharaha.
Raha ny voarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady mantsy dia ity voampanga nolazaina fa maty ity mihitsy no tena nitambesaran'ny vesatra tamin'ilay raharaha vonoan'olona niampangana azy. Dokotera vavy iray nipetraka tao Faravohitra avaratra, izay maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, ny 2 novambra 1999, no nahavoasaringotra azy tamin'izany.
Rehefa nanao fanadihadiana ny zandary tany an-toerana, dia olona dimy no indray voarohirohy. Ary anisan'izany ity Razafintsalama R Henri ity.
Notsindrian' ireo voampanga sasany niaraka taminy, ary nohamafisin'ireo renim-pianakaviana roa vavy hany voampanga nijoro teo anoloan' ny fitsarana fa lehilahy
mpisetrasetra sy nampihorohoro tokoa ity R Henri ity. «Mifoka rongony izy ary manenjika amin' ny antsy mihitsy. Na ny reniny sy ny anabaviny aza efa nokasainy hovonoina. Nobatainy ary nentiny natsipy teny amin'ny arabe mba hosen'ny fiara», hoy izy roa vavy. Nilaza izany koa ny vavolombelona. «Matahotra azy izahay».
Ary noho ireo rehetra ireo dia nohazonin'ny mpitsara teo amin'ny Fampanoavana ambony ny lehilahy. «Mazava ny
raharaha. Misy ny vesatra anenjehana an'i Razafintsalama Henri. Takianay ny hampiharana ny sazy aminy. Ny sisa kosa, anisan'izany ireo roa vavy nijoro eto anoloan'ny fitsarana, dia misalasala izahay.
Ka ankininay amin'ny fitsarana ny momba azy ireo», hoy izy.




Ambatofinandrahana
Zandary maty voatifitra
Nandavo zandary iray indray ny dahalo tany amin' iny distrikan'Ambatofinandrahana iny. Zandary kilasy faharoa, Razafiniriantsoa, niasa tao amin'ny borigadin'i Mandrosonoro ao anatin'ity distrika ity no namoy ny ainy tamin'izany, ny 19 aprily teo.Voatifitra teo amin'ny tratrany.
Nanao fanarahan-dia omby very norobain'ny dahalo tao Manamy, ao anatin' ity kaominin'i Mandrosonoro ity. Izy tamin'io fotoana io. Zandary manamboninahitra iray, lietna, izay mpandrindra ny hetsika amin'ny ady amin'ny asan-dahalo any an-toerana no nitarika ny dia, nampian'ireo fokonolona. Nefa dia izao tratry ny loza tampoka izao.
Nisy naratra roa ihany koa tamin'ireo fokonolona ka voatery nentina notsaboina ao amin'ny hopitalin' i Mandrosonoro.
Tsy mety lefy mihitsy ny asan-dahalo amin'iny faritr'Ambatofinandrahana iny, na dia efa ireny goavana ireny aza, araka ny efa notaterina teo, ny asa sy ny vokatra nataon'ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Vao iray volana izay no nandehanan'izy ireo, niala tany an-toerana, dia izao manampatra ny asa ratsiny izao sahady ny dahalo.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena dia tsy mandeha telo na efatra intsony ireo dahalo amin' izany. Fa tena manao andiany maro mihitsy. Mahatratra hatrany amin'ny 20 na 30 lahy. Ka inona fa tsy mifaninana amin'ireo mpitandro filaminana !




Antsirabe
Zaza menavava nokendaina
Zaza menavava iray no maty nokendaina tamin'ny tadin'aron'akanjon-jazakely, tao Ambavahadimangatsiaka Antsirabe, ny alatsinainy hariva teo. Tao anaty daba fanariam-pako tao an-toerana, nisafotofoto tamin'ny fako tao, no nahitana azy io. Ankizy kely mpirenireny sendra nitsindroka tao anatin'ilay daba no nahita azy.
Niboridana tsy nisy fitafiana teny amin'ity zaza ity na dia kely aza. Ary mbola hita teo aminy ilay tadin' aron'akanjo namonoana azy.
Raha ny fahitana azy dia zaza vao teraka mihitsy ilay izy satria na ny tadim-poitrany aza tsy mbola tapaka fa nikorozaroza teo amin'ny vatany.
Tonga teny an-toerana nijery ny razana moa ny polisy tao Antsirabe ary efa mandeha ny famotorana sy ny fikarohana amin'izao fotoana izao.




Lafo loatra ny menaka
Dia tena manao izay danin&#039;ny kibony tokoa ny Tiko raha ny vidin-javatra no resahina.
Ny menaka Tiko ohatra dia indroa izao no niakatra ny vidiny tao anatin'ny telo volana ary tena mihoampampana tokoa ny tatao. Dia samy mangina anefa ny ambanilanitra. Asa, mbola zakan'ny ankamaroan'ny olona ve izany sa didin'ny besandry ka dia ekena ?
Ny mahafaly aloha dia mitovy vidy tanteraka amin' ny menaka Huilor avy any ivelany ny an'ny Tiko. Tsara lavitra nefa ilay hafarana ka na eo aza ny fitiavana ny vita malagasy dia tsy mahaleo ny fitadiavana ny metimety izany.
Mahavariana aloha ny malagasy. Tena mafy aina tahaka ny kisoa gasy tokoa. Tsy misy mafy tsy laitran'ny gasy hoy ny be vazivazy. Mihetsika tokoa ny eran-tany manoloana ny fahalafosan'ny vidim-piainana. Ny firenena afrikanina no loha laharana amin'izany nefa tsy diso anjara ny tany hafa. Saingy ny Malagasy dia vahoaka hendry, mahari-pery, be lazon'ady. Na koa efa leom-boanana ka tsy te iherika intsony fa sendran'ny beroberoka lava izao. Ireny mantsy na asiana menaka aza dia mampiakatra tosi-drà foana. Mainka moa fa alain-drony.
Izay tokoa angamba e! Atao inona moa menaka nefa ny hena na ny atody endasina aminy tsy taka-bidy. Dia ny fiononana no atao be.
Rabehatoka
Ampanefy




Tonon-kira tsy fihaino
Tena mbola ilaina ny sivana.
Tsy amin'ny fanehoan-kevitra politika na an-gazety fa eo amin'ny kolontsaina sy zava-kanto. Raha ny tononkira sasany no dinihina dia tsy misy maha-kanto na kolontsaina azy na dia kely aza.
Tefy manta,zara fa vita ary ny tena loza dia teny mamoafady ny an-dalana maro. Tononkiran'ny tanora ny ankamaroany ary dia tena mahamenatra sy mampieritreritra mihitsy. Tsy mahita hiraina ny sasany dia teny ratsy tsotra izao no atao rima. Dia mandefa koa ireo onjam-peo sy fahita lavitra. Dia tsy misy fifanajana intsony ve? Ny fihetsika moa tsy lazaina intsony.
Tsy misy fanaraha-maso intsony ve ireo hira alefa amin'ny onjam-peo? Angamba ilaina ny amerenana an'izany raha toa ka izay no izy. Nahoana moa ny sarimihetsika no asiana sivana nefa ny hira avela anao baranahiny ?
Ekena ny fanantontoloana nefa manan-jo isika hanary izay zavatra tsy mitondra soa sy manimba ny tanora.Tsy ekena ny fakana tahaka be fahatany fotsiny.
Betsaka ny zavatra azo hiraina ary misy mpanakanto tena deraina amin' izany. Ao kosa ireo mifoka «bozaka» hoy ny zatovo, dia miteniteny foana avy eo. Tena manimlba ny zava-kanto ireny ary tsy misy ilana azy.
Rabevazo Brel
Ankazotokana




Analamanga
Le TIM verrouille le conseil régional
Les quatre membres du bureau permanent du conseil régional d'Analamanga sont tous issus du TIM. Le dissident Haja Razanantoanina ancien président du comité régional s'est retiré au dernier moment.
Le parti majoritaire ne donne aucune chance aux indépendants de siéger au sein du bureau permanent du conseil régional d'Analamanga. Le « Tiako i Madagasikara » (TIM) en accapare les quatre postes. Les élections se sont effectuées, hier matin, dans la salle de réunion de la région à Nanisana.
Tantely Ranoelijaona, tête de liste des candidats du TIM lors des régionales dans la circonscription d'Antananarivo-ville, a été élu président. Unique prétendant à la présidence du conseil régional, il a obtenu 31 voix contre un vote blanc. Voahangy Raharimanarivo, vice-présidente, ainsi que Jaona Ralison et Jeannot Bertrand Randriamanalimanana, les deux rapporteurs, accèdent aussi à leurs nouvelles fonctions
avec le même score. Les 14 conseillers régionaux et 18 députés sur 19 issus de la région ont participé aux élections.
Tractation
Pourtant, avant même la proclamation des résultats, l'ambiance dans la salle reflétait encore la mésentente entre Haja Razanantoanina, conseiller régional indépendant issu d'Antananarivo-Atsimondrano et dissident du TIM, et Benjamin Ramamonjisoa, député du même parti élu dans la même circonscription.
Depuis quelques jours, une tractation s'est faite auprès des membres pour soutenir la candidature de Haja Razanantoanina à la présidence du conseil régional. Hier encore à Nanisana, des électeurs se sont fait passer le mot de bouche à oreille.
Mais il fallait compter sur Benjamin Ramamonjisoa, membre du conseil régional et surtout vice-président du TIM. En réunissant les élus du TIM hors de la salle, il leur a donné une consigne de vote. Un facteur qui a poussé Haja Razanantoanina, ancien président du comité régional, à se désister.
Toutefois, il n'a pas manqué de dénigrer l'attitude de certaines personnes du TIM à son égard. « Elles sont habituées à faire de la discrimination, malgré les efforts que j'ai fournis pour me rapprocher d'elles », a-t-il réagi au cours d'un entretien. Il semble surtout faire allusion à Benjamin Ramamonjisoa.
Ce dernier a, pour sa part, parlé d'un consensus entre les conseillers régionaux sur le choix des candidats du TIM au sein du bureau permanent du conseil régional. « Le consensus s'est dessiné avant même l'approbation du bureau politique du parti », s'est-il défendu contre l'attaque lancée contre lui.
Tantely Ranoelijaona a, à sont tour, confirmé l'explication de Benjamin Ramamonjisoa. Comme il s'agit d'un sujet important pour le parti, la candidature à la direction du conseil régional devait recevoir l'aval du bureau politique.





Asan-jiolahy
Voaheloka mandrapahafatiny i Serge Vazaha
Notsaraina omaly tamin'ny fiampangana telo sosona i Serge Vazaha, jiolahy kalaza iray. Nohelohin'ny Fitsarana heloka bevava higadra sy hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny izy.
Nohelohin'ny Fitsarana heloka bevava higadra sy hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny, omaly, Rakotoniaina Serge na Serge Vazaha. Jiolahy izay tsy zoviana amin'ny mpitandro ny filaminana intsony, indrindra raha ny eto an-drenivohitra manokana, amin'ny resaka asan-jiolahy mitam-piadiana.
Fiampangana telo sosona, halatra sy fikasana hamono olona ary vonoan'olona no nitsarana azy, ka nahazoany an'io sazy io. Araka io fiampangana io tokoa mantsy, dia tsy vitan'ny hoe halatra aman-tapitrisany maro fotsiny ihany no nataon-dry Serge Vazaha sy ny namany tamin'io fanafihana tranon'olona nataony io, fa tena nisy faty olona sy fandratrana olona mihitsy.
Naratra voan'ny bala ny renim-pianakaviana iray tao amin'ilay trano notafihiny, ary namoy ny ainy ny sefom-pokontany tao an-toerana. Notifirin'izy ireo ity farany raha iny nivoaka ny trano handeha hamonjy iny, noho ny fandrenesany antso vonjy.
Enin-dahy ireo voampanga tamin'ity raharaha ity, saingy ny roalahy ihany no nipoitra teo anoloan'ny fitsarana. Nohelohina hanao asa an-terivozona mandritra ny folo taona izy ireo, na dia niezaka ny nandà ny fiampangana azy aza. Tsy tonga kosa i Serge Vazaha sy ireo namany telolahy, ka dia io nampiharin'ny fitsarana sazy faran'izay henjana io. Araka ny efa voalaza tery aloha dia jiolahy efa fanta-daza eo anivon'ny mpitandro ny filaminana raha i Serge Vazaha. Ny fanafihana mitam-basy no tena manavanana azy ary efa maromaro ireo karazam-panafihana efa vitany tamin'izany.
Noho izy mitam-basy dia tsy mitsitsy na mandefitra mihitsy manatanteraka izay fanafihana ataony. Voalazan'ireo mpitandro ny filaminana izay mahalala tsara azy, fa tsy vitsy ny olona tafihiny no nitondra faisana. Porofon'izany ity tokantrano notafihiny teny Ilafy ity, ny 22 mey 2003.
Vao niditra ny tanàna fotsiny izy, raha ny voalazanan'ny antontan-taratasin'ady, dia efa ny basy no napoapoakany, nampihorohorany ny manodidina sy ny tao an-trano. Raha vantany vao nahita olona ihany koa dia tsy nanao afa-tsy ny hitifitra ary tamin'izany no nampaharatra an'ilay renim-pianakaviana.




Sosialy
Tafatsangana ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga »
Ny 4 aprily 2008 teo no tafajoro ara-panjakana ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga » na ny TVA. Fikambanana mahaleotena, tsy miankina amin'ny antoko politika izy io ary tsy manao afa-tsy ny fampivelarana ny tanora amin'ny mahaolona azy. Tsy eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina fotsiny ihany fa eo amin'ny lafiny ara-toekarena ihany koa.
Nosoritan'ny filoha mpitarika ny fikambanana, Ralaiseheno Guy Hasinjaka, fa noho izay tsy fisian'ny fanabeazana ny mahaolona ny tanora izay indrindra no antony nananganana an'ity fikambanana ity. « Tsy maintsy ilaina anefa izany mba hahafahan'ny tanora mirisika amin'ny asa fampandrosoana, eny fa na dia ny fahafantarany ny zony fotsiny ihany aza », hoy izy.
Hisy, araka izany, ny fiofanana omena ireo mpikambana sy ny fiaraha-miasa amin'ny ankolafin-kery isan-tokony.
Efa mahatratra 300 amin'izao fotoana izao ireo mpikambana ao amin'ny TVA. Tsy mialon-jafy ny fikambanana satria hatramin'ny olona feno 18 taona no miakatra dia raisina ho mpikambana.




Manjakandriana
Raim-pianakaviana maty nokendaina
Raim-pianakaviana iray, efa lehibebe ihany satria manodidina ny 75 taona any, no hitan'ny fokonolona nitsirara teny amoron-dalana, tao amin'ny fokontanin'i Fiadanana ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana, ny alatsinainy hariva teo. Tsy nahitàna ratra teny aminy, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Saingy nahitana faritra mangana kosa teo amin'ny faritry ny tendany.
Tsy nisy hita teny aminy ny taratasy momba azy. Voalaza anefa fa vao avy naka vola fisotroan-dronono taty an-drenivohitra izy tamin'io fotoana io. Efa mandeha ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankazobe - Miparitaka ny vola sandoka Ar 10 000. Vola sandoka 30 000 ariary no indray tratran'ny zandary tao an-tampon-tanànan'Ankazobe, ny faran'ny herinandro teo. Mpivarotra enta-madinika iray tao an-tanàna no voafitaka tamin'izany. Ankizy sy vehivavy lehibe iray moa no voarohirohy amin'izy ity.
Lozam-pifamoivoizana - Lehilahy nohitsahin'ny kamiao. Tapaka ary torotoro ny tongotr'ity raim-pianakaviana iray nohitsahin'ny kamiao mpitatitra solika tao Ankazobe, ny alatsinainy hariva teo. Handeha hody izy izao tra-doza izao. Tafapetraka tao ambanin'ilay kamiao izy rehefa voadona ka notsenain'ny kodiarana.
Nangonin'i




Aiza o !
Efa ho roa volana izao ingahy minisitry ny fanatanjahantena no nandrava ny Federasiona malagasy mitantana ny baolina kitra.
Nampanantena fa ao anatin'ny fotoana fohy dia hitsangana ny rafitra vonjimaika hasolo azy sy hanao ny fifidianana. Miandry ihany ny mpitazana fa toa tsy misy mangirana hatramin'izao. Ny olona notendrena ho ao amin'io rafitra io ve no tsy misy na tsy sahy sa najanonona mihitsy ny fananganana azy?
Eo am-piandrasana an'Ambatobevohoka dia efa voaroaka tao amin'ny Fifa isika. Ny Barea dia efa nesorina tao amin'ny fandaharam-potoanan'ny fifanitsanana Can sy Mondial 2010. Ny mpitsara malagasy dia tsy mahazo mitsoka kiririoka intsony. Ny mpanazatra tokony nandeha niofana tany ivelany dia efa nampionon-tena.
Koa dia inona no nahamaika anao akasom-parana tahaka izao nefa tsy ahovoka akory?
Hiakatra amin'izay izany ny laharana misy an'i Madagasikara satria efa tsy mandray anjara amin'ny fifaninanam-pirenena intsony ?
Ny mahagaga dia mbola mandeha ihany ny fiadiana izay ho tompon-daka etsy sy eroa nefa dia rafitra teo ambany fiahian'ny federasiona no mikarakara azy ireny. Misy mpitsaran'ny Fifa aza sahy mitantana lalao amin'izy ireny.
Dia samy miandry izay avoakan'ny ampitso ny mpitia baolina kitra. Ny zava-misy any ivelany tahaka ny any Tchad dia mitovy amin' ny eto amintsika. Noravana ny Federasiona dia voaroaka tao amin'ny Fifa ihany koa ry zareo. Izao dia niova ny praiministra ary hiova ihany koa ny governemanta. Manantena ny adalam-baolina fa hisolo koa ny minisitry ny fanatanjahantena ary dia averina ny federasiona. Tombatombana daholo izany ary any Tchad fa tsy eto akory.
Rakotomanga Simplice




Ambohimangakely
Lehilahy lehibe nanao hosoka
Nosazian'ny Fitsarana heloka bevava higadra telo taona an-tranomaizina, sazy mihantona, ilay lehilahy lehibe voampanga ho nanao hosoka. Niaiky izany izy tamin'ny famotorana azy.
Mananika ny 72 taona ity raim-pianakaviana iray, monina ao Ambohimangakely, nohelohin'ny Fitsarana ady heloka bevava, omaly maraina. Nosaziana telo taona an-tranomaizina, sazy mihantona. Nanamarika ny mpitsara ny raharaha fa noho izy tsy mpamerin-keloka, dia nomena fanalefahan-tsazy, ary izay no nahazoany an'io sazy io.
Mbola miampy fandoavana onitra mitentina
22 800 000 ariary amin'ny mpitory io saziny io ka 400 000 ariary ho an'ilay raim-pianakaviana mpitory iray, ary 22 400 000 ariary kosa ho an'ireo renim-pianakaviana telo hafa nitory azy.
Raha ny voarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady mantsy dia olona sivy be izao no indray nitory an'ity lehilahy lehibe ity. Fianakaviana iray, izany hoe taranak'olona iray, nanaovany sy niharan'ny asa ratsin'ingahibe avokoa ireo olona nitory azy ireo, rehefa zohiana ny fandehan'ny raharaha.
Fiampangana telo miavaka tsara no niampangana an'ingahirainy tamin'izany, izay nekeny tsotra izao avokoa tamin'ny famotorana azy na tany amin'ny zandary na teo amin'ny mpitsara mpanao famotorana. Dia ny hosoka, ny fampiasana hosoka ary ny fisolokiana. Tanin'olona tao amin'ny faritra manodidina an'Ambohimangakely no nanaovany an'izany teti-dratsiny izany. Natombony tany amin'ny fanaovana hosoka ny kopiam-pahafatesan'ilay olona tompon'ny tany izany. Tonga tany amin'ny filazana ny mahampandova ary nipaka hatrany amin'ny fanovana kadasitra.
Rehefa azony izay dia namidiny ny tanin'ilay olona ka teo vao tankina ireo tena tompon'ny tany, ireo mpandova, fa izy tompon'ny tany indray no voahilika tsy fidiny. Tamin'ny 1996 tany ny raharaha no nanomboka fa izao vao nandeha fitsarana.
Ingahirainy moa, na dia efa notanana am-ponja aza tamin'ny fotoana nanolorana azy ny Fampanoavana, dia efa tafavoaka ny fonja satria tratr'ilay fetr'andro nahafahan'ny fitsarana nihazona azy.




Marovoay
Zaza menavava nisy nanary teo ambony fasana
Zaza menavava iray, lahikely, no hitan'ny fokonolona nisy nanary teo ambony fasana tao Bepako, kaominin'i Tsararano, distrikan'i Marovoay. Tovolahy iray tao an-tanàna izay naka kitay, tany an-toerana, no nahita azy. Ny feony nitomany tao anaty toera-mangina nisy fasana no reny, ka lasa izy nizaha. Ary dia hatairana ny azy nahita an'ity zazakely nibitabitaka sy ankon'ny tomany teo ambony fasana.
Tsy avy dia nalainy ilay zaza fa lasa izy nandeha niverina tany an-tanàna ary niantso ny fokonolona sy ireo tompon'andraikitra tao an-toerana. Nirohotra ny rehetra nijery, notarihin'ny sefom-pokontany, ary dia nalaina ilay zaza. Nomena lamba sy nitadiavana reny mampinono tao an-tanàna namonjena azy, izay vao nentina tany amin'ny toeram-pitsaboana nozahana.
Avotra soa aman-tsara, araka izany, ilay zazakely. Mandra-pisian'ny vahaolana amin'ny fametrahana ilay zaza dia ny renin'ity zazalahy nahita azy ihany aloha hatramin'izao no nandray an-tanana ny fitaizana sy ny fikarakarana azy.




Fahasalamana
Mpitsabo mpanampy hanamarika ny andro
Homarihina ny faha-12 mey ho avy izao ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy. Hanamarika izany amin'ny fomba manetriketrika ny mpitsabo mpanampy eto amin'ny faritra Analamanga. Noho io andro io fetin'ny alatsinain'ny Pentekosta anefa dia afindra ny 13 mey ny fankalazana. Ka eny Atsimondrano, eny Anjomakely izy ireo no hifamotoana hiara hanatanteraka izany, izay ho tarihin'ny Holafitry ny mpitsabo mpanampy.
« Mikarakara ny mpiara-belona ary miantoka izany araka ny tokony ho izy. » Io no lohahevi-dehibe nofidian'ny fianakaviam-ben'ny mpitsabo mpanampy eran-tany, hanompanana ny fankalazana amin'ity taona ity.
Mitana andraikitra goavana eo amin'ny sehatry ny fitsaboana ny mpitsabo mpanampy. Izy no manatanteraka ireo paramètres rehetra eo amin'ny fiatrehana ny asa
fitsaboana, toy ny fakàna tosi-dra, ny hafanan'ny marary, ny pansement, ny fanatanterahana izay fomba fitsaboana hafa asain'ny dokotera atao...
Raha any amin'ny faritra ambanivohitra manokana izay lavi-toeram-pitsaboana, dia afaka mahasolo ny asan'ny mpitsabo izy, araka izay tokony ho vitany. Mahatratra hatrany amin'ny 800 any ny isan'ireo mpitsabo mpanampy raha ny eto amin'ny faritr'Analamanga manokana no resahina.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanalan-jaza - Voaheloka ireo mpitsabo telo. Roa taona an-tranomaizina, sazy mihantona, no nomen'ny Fitsarana an'ireo mpitsabo telolahy voampanga ho nanala zaza teny amin'ny toeram-piasàny teny Behoririka. Voaheloka sady niharan'ny sazy niaraka tamin'izy ireo ihany koa ilay vehivavy tratra sy nanaovan'izy ireo izany.
Andranovelona - Raim-pianakaviana voakapan'ny famaky. Handeha hody, avy niasa afak'omaly hariva tany Andranovelona, ity raim-pianakaviana no nokapain'ny sasany tamin'ny famaky. Teo amin'ny hatony no niharan'izany. Olona sendra nandalo no nahita azy. Nentina niakatra taty an-drenivohitra mihitsy izy hitsabo tena.
Nangonin'i




Anosibe
Polisy vavy maty irery tao amin'ny hotely
Polisy vavy iray no maty irery tao amin'ny hotely nivahinianany teny Anosibe. Omaly vao hita ny razana. Tsy nahitàna ratra ny tenany ary nadio ny manodidina azy fa faroratra fotsifotsy no hita nivoaka teo amin'ny vavany.
Hatairana omaly maraina, ny an'ireo mpiasan'ny hotely iray teny amin'iny faritr'Anosibe iny raha nahita an'ity vehivavy iray nitsirara teo ambony fandriana. Efa tsy misy aina intsony. « Tsy nahitàna ratra ny vatany satria nadio tsara, tsy nisy rà ny kidoro natoriany », hoy ireo mpiasan'ny hotely nivahinianany.
Nampandrenesina avy hatrany ny polisy teo akaiky teo ary teo no nahafantaran'izy ireo fa hay polisy ity vehivavy namoy ny ainy tao aminy ity. « Agent de police 2e classe » Zalina Geneviève (24 taona).
« Ny talata izy io no tonga teto aminay nihazona efitrano iray mandritra ny roa andro ». Talohan'ny nahatongavany, efa nisy lehilahy nitady azy. Saingy tsy mbola tonga izy tamin'izay.
« Niverina io lehilahy nitady azy rehefa tonga izy », hoy ihany ireo mpiasan'ny hotely. Nosoritan'izy ireo fa nitondra baoritra misy fahitalavitra ilay lehilahy tamin'io. Tamin'io fotoana io ihany ilay lehilahy dia nivoaka ny efitrano niaraka tamin'ny entana. Fa ilay vehivavy mbola nijanona tao amin'ny efitrano.
« Ny alakamisy teo, gaga izahay satria nihoatra iray andro ny fetr'andro nivahinianany tao amin'ny hotely. Lasa nojerena. Tazana fa mbola nisy harona tao anatin'ilay efitrano. Tsy taitra izahay satria noheverina ho lasa niantsena izy. Tonga anefa ny ampitso (mantsy ny zoma) tsy mbola nipoitra teo amin'ny fandraisan'olona ihany izy ary izay no nahatapa-kevitra anay nanapitsoka ny varavarana. Dia teo no nahitanay azy », hoy ireo mpiasa.
Rora mandroatra no hitan'ny polisy nivoaka teo amin'ny vavany. Raha ny fanazavan'ireo polisy namany dia nahitàna tavoahangi-na Coca-cola sy vera roa teo ambony latabany. « Hafahafa ary mampiahiahy ilay vera, nisy poti-javatra fotsifotsy », hoy izy ireo. Nosoritany anefa fa tsy afaka ny hanambara izay antony nahatonga ny fahafatesan'ity namany ity izy ireo fa mbola hisy ny fitiliana hatao.
Ao amin'ny kaomisarian'i Mahamasina i Zalina no miasa. Misokatra ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Anjanamasina - Zandary mitsabo tena. Mbola ao Anjanamasina, ao amin'ny hopitaly fitsaboana marary saina, hatramin'izao ilay zandary miasa ao amin'ny prezidansy, nitondra sy nilalao basy teny Ivato ka nahavoatifitra ny namany tao amin'ny trano fisakafoana iray teny an-toerana, ny zoma 11 aprily teo. Marihina fa maty mihitsy ilay namany voatifitra tamin'io.
Fiadidiana ny filohan'ny Repoblika - Zandary nanary bala. Misokatra ihany koa amin'izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika an'ilay zandary iray miasa eo anivon'ny fididiana ny filohan'ny Repoblika nanary bala teny aminy. Amin'ny miaramila mantsy, tsy maintsy anaovana tatitra ary anaovana fanamarinana ny fahabangan'ny bala eny am-pelatanany.
Manjakandriana - Tratra ilay namono lehilahy lehibe. Tovolahy iray amin'izao fotoana izao no eo am-pelatanan'ny zandary tamin'ilay raharaha famonoana lehilahy lehibe tao Fiadanana Manjakandriana ny 22 aprily teo. Avy naka vola fisotroan-drononony taty an-drenivohitra izy io tamin'izay fotoana izay.
Andoharanofotsy - Afaka ireo voampanga ho namono olona. Nohafahan'ny Fitsarana heloka bevava avokoa ireo olona dimy lahy tompon-trano voampanga ho namono lehilahy tao amin'ny tanànany teny Andoharanofotsy ny volana novambra 2004. Tratran'izy ireo nangalatra "auto radio" tao ana-tanànany ity lehilahy ity ary nikasa hanohitra azy ireo tamin'ny fitaovam-piadiana.
Nangonin'i




Taon-dasa tsy tsaroana
Bemangovitra. Adino sahady ve ilay valan&#039;aretina nandripaka tamin&#039;ny taona 86 ?
Taon-dasa tsy tsaroana tokoa angaha. Mahagaga ihany mantsy raha ny andron'ny reny sy ny zaza nanaovan'ny fanjakana veli-daba manerana ny nosy nefa ny andro iraisam-pirenena voalohany amin'ny ady amin'ny tazo moka dia zara raha nahenoina akony. Na ny minisitry ny Fahasalamana aza tsy tazana tamin'ny lanonana fankalazana.
Iaraha-mahalala nefa fa ny tazo moka no aretina mamono olona be indrindra eran-tany. Ny 90% amin' izany dia aty Afrika ary ao anatiny isika.
Nahazo volabe tamin' ny filoha amerikana ny Malagasy tamin'ny taona 2006 mba hiadiana amin' ity aretina ity, toa tsy dia hita nefa ny vokatra azo hatramin'izao. Mbola betsaka ny faritra tsy afa-bela amin'ity aretina ity. Eny na ny renivohitra aza dia mbola anjakan'ity aretina ity.
Zaza iray isaky ny sekondra no maty eran-tany. Zava-doza tokoa izany nefa toa tsy mampitahotra noho ny Sida. Amiko dia ny ady amin' ny tazo moka aloha no tokony atao laharam-pahamehana.
Rakotovao Gabriel
Antanivao




Rallye
Photo 1
Mamy kely (Nissan Sunny) une présence discrète.




Rallye
Photo 3
Michaël Rabesaotra (Toyota) aux avant-postes.




Rallye
Photo 4
Mathieu Randrianjafy (P. 205) se débrouille bien.




Décentralisation
Débat sur le fonctionnement du conseil régional
Coquille vide. Les membres du conseil régional assurent leur fonction dans une certaine ambiguïté faute de dispositions appropriées. Une réalité qui accentue la divergence des points de vue.
Le conseil régional d'Analamanga qui s'est réuni en première session ordinaire pendant trois jours, a rempli son devoir. Il est arrivé à adopter son règlement intérieur comme dans d'autres régions et à mettre en place cinq commissions. Mais les idées des membres sont partagées au sujet du fonctionnement de la structure.
Le conseiller régional Haja Razanantoanina est allé plus loin dans son explication en se posant des questions sur l'importance du conseil régional en tant qu'organe délibérant tant que le chef de région est encore désigné.
« La désignation du président de l'éxécutif, qu'il soit chef de région ou non, son appellation n'a pas d'importance, s'opère au détriment du conseil régional », a-t-il soutenu, hier. L'ancien président du comité régional ajoute que le responsable désigné devrait rendre des comptes au gouvernement qui l'a nommé à son poste, et non au conseil régional.
De son côté, Tantely Ranoelijaona, président du conseil régional d'Analamanga, essaie de positiver la situation en insistant sur l'objectif de développement. « Le fait que le chef de région soit habilité à réaliser le développement de la région nous suffit », a-t-il estimé.




Miarinarivo
Lasan'ny jiolahy ny vola 22 tapitrisa
Jiolahy dimy indray no nanafika fiara mpitatitra tamin'iny lalam-pirenena voalohany iny, ny zoma maraina teo. Mpandeha enina no very vola mitentina 22 tapitrisa ariary.
Fiara mpitatitra, minibus iray indray no notafihin'ny andian-
jiolahy tamin'iny lalam-pirenena voalohany iny, ny zoma maraina teo, tokony ho tamin'ny efatra ora sy sasany tany ho any. Teo amin'ny tetezan'i Kelitina, ao amin'ny fokontanin'Igarana, PK 98, kaominin'i Miarinarivo II, no nisehoan'ny fanafihana. Jiolahy dimy no nanafika tamin'izany.
Nahatratra 18 ny isan'ny mpandeha, saingy olona enina tamin'ireo ihany no norobainy. Raha natambatra dia nahatratra hatrany amin'ny 22 tapitrisa ariary any ny vola azony.
Fiara mpitatitra avy any Ampefy izy ity, izay niainga vao maraina tany an-toerana hamonjy ny fiposahan'ny masoandro aty an-drenivohitra. Raha ny fana- zavana azo avytamin'ny zadarimariam-pirenena, dia nisy tamin'ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara,
roalahy izy, no naman'ireo jiolahy. Saingy tsy nisy tandroka ny ratsy ka tsy fantatra, raha tsy niseho ny fanafihana.
Olona enina navahana
Mody nangataka tamin'ilay mpamilin'ny fiara mba hijanona kely ny iray tamin' izy roalahy ireto nony tonga teo amin' ilay tetezana.
Kanjo rehefa nijanona ny fiara, tsy nanao izay nataony akory izy roalahy tao anaty fiara fa tonga dia namonjy nihodina tany amin'ilay mpamily rehefa tafavoaka. Nambanany basy ilay mpamily ary nampidininy avy teo amin'ny familiana. Dia novonjen'izy ireo nalaina ny lakilen'ny fiara. Ireo tao anatin'ilay fiara kely koa tetsy andanin'izay, nisy telolahy, nivoaka ary tonga dia namoaka an'ireo mpandeha rehetra tao anatiny. Ary teo no nanavahan'ireo jiolahy an'ireo mpandeha enina.
Tsy nanapoaka basy ireo jiolahy tamin'ny fanafihana nataony fa tonga dia namonjy niditra tao anatin'ilay fiara kely ary nirifatra nandositra, nanohy ny diany toy ny hiakatra ho aty an-drenivohitra. Tavela teo ireo mpandeha iray fiara. Nahamarika ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara mpitatitra nony lasa ireo jiolahy fa tsy nitsahatra ny niresaka tamin'ny finday ireo roalahy niaraka taminy tao anaty fiara mandrapahatongany teo amin'ilay tetezana nanafihany.




Analavory
Lozam-piarakodia nahafaty olona telo
Ain'olona telo no indray nafoy, ny asabotsy teo, tao amin'ny toerana antsoina hoe Ankadifotsy, fokontanin'i Kianjasoa, ao anatin'ny kaominin'Analavory, distrikan'i Miarinarivo, amin'iny lalam-pirenena voalohany iny, vokatry ny fifandonan'ity kamiao lehibe iray sy fiara bâché iray. Mpandeha tao anatin'ilay fiara bâché avokoa ireo niharan-boina ireo. Izany hoe ny mpamily sy ireo olona roa nipetraka teo akaikiny.
Hidina ho any Tsiroano-mandidy ilay kamiao ary ity fiara bâché kosa hiakatra toy ny ho any Miarinarivo. Somary fiolahana izay ilay lalana no fiakarana, raha ho an'ilay kamiao, ary fidinana kosa izy raha ho an'ilay bâché, ka hiditra an'io indrindra ireto fiara roa ireto no nifandona. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria potika tsy nisy noraisina ny lohan'ilay fiara bâché. Tafiditra tao ambanin'ilay kamiao mihitsy. Nihitsoka tao, araka izany, ireo olona telo tao anatin'ilay fiara bâché. Ka ireo fokonolona teo an-toerana no nanavotra azy tao. Saingy efa tsy nisy aina
intsony.
Mbola nisy fiara bâché iray hafa ihany koa, nifanao aloha sy aoriana, nandeha taorian'ity fiara bâché nifandona tamin'ilay kamiao ity ary tsy nanampo fa dia nidofotra tamin'ilay fiara niharan-doza teo alohany ihany koa. Naratra ihany koa ireo olona telo tao anatiny nipetraka teo anoloana, anisan'izany ny mpamily. Tsy dia naninona firy izy, fa nentina novonjena tao amin'ny hopitalin'Analavory ihany.




Hopitaly fiterahana Befelatanana
Mpitsabo dimy niakatra fitsarana
Mpitsabo dimy, dokotera mpandidy iray, mpampivelona roa, mpitsabo mpanampy iray ary « réanimatrice » iray no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana tao amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy, ny talata teo. Voampanga ho nahafaty olona tsy nahy.
Renim-pianakaviana iray naterina niteraka tao, ny volana aogositra 2007, no nipoiran'ny raharaha. Efa tany amin'ny hopitalin' Ambohitrimanjaka ity reny bevohoka ity no nandeha. Saingy noho ny toe-pahasalamany izay hitan'ny mpitsabo tao dia tsy afaka nandray azy izy ireo fa nalefany haingana niakatra taty an-drenivohitra, namonjy hopitaly ampy fitaovana izy.
Tao amin'ny hopitaly Befelatanana avy hatrany izy no nandeha. Tsy arakaraka izay anefa ny zava-niseho adim-pamantara- nandro folo taorian'ny nahatongavany tao dia namoy ny ainy teo am-piterahana ilay renim-pianakaviana.
Latsaka ihany ny zanany. Saingy ny ain-dehibe no tsy avotra. Nitory azy ireo, araka izany, ho tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ny havany ny fianakavian' ilay renim-pianakaviana ary dia izao niakatra izao ny raharaha.
Nomen'ny mpitsara mpanao famotorana fahafahana vonjimaika moa izy ireo tamin'ny fotoana nanolorana ny raharaha teo anivony. Ary izao vao nanaovana fanadihadiana lalina.




Andohan'Analakely
Fiara roa nifandona nandratra olona
Fiara roa, 4x4 sy fiara kely marika Mazda, no nifandona teo Andohan' Analakely, teo amin'ny fihaonana manoloana ny toby miaramila RM1, ny alin'ny zoma teo. Ilay Mazda avy any amin'ny tonelina ka hiodina ho aty Analakely. Ilay 4x4 kosa avy any Analakely ka hiakatra an'Ambohijatovo. Dia nifanena teo amin'ny sampanandalana teo ireo ka tamin' izay no nandonan'ilay 4x4 an'ilay Mazda.
Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria nipitika mihitsy, tany amin'ny 5 metatra tany, ilay Mazda ka naratra vokatr'izany ny mpamiliny. Ilay 4x4 kosa nidofotra tany amin'ny andrin-jiron'ny Jirama. Tovolahy maromaro izy ireo no tao anatiny tamin'io fotoana io.
Ireo olona sendra nandalo tamin'iny toerana iny moa no namonjy an'ireo niharam-boina.




Lalam-pirenena fahafito
Lehilahy nipitika avy tao anaty fiara ka maty
Nipitika avy tao anatin'ilay fiara niharan-dozam-pifamoivoizana nandehanany, ny asabotsy teo tao Antsoatany, amin'ny lalam-pirenena fahafito, no nahafaty an'ity lehilahy iray. Nivoaka ny lalana ary nivadibadika teny an-tanety vao nitrosona tao an-tanimbary mantsy ilay fiara. Roalahy izy no nipitika teny am-panidinana. Saingy naratra mafy ilay iray namany. Naratra niaraka tamin'izy ireo ihany koa ireo mpandeha telo hafa tavela tao anatin'ilay fiara.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mandraka - Mpamily kamiao notsindrian'ny fiara nentiny. Niditra fiolahana teo am-pidinana teo Mandraka, amin'iny lalam-pirenena faharoa iny, no niharan-dozam-pifamoivoizana, ny asabotsy teo, ity kamiao citerne iray ana orinasa mpanodi-menaka. Nirona nankany amin'ny havian-dalana ilay fiara ary nivadika teo, ka voatsindry tao ilay mpamily. Ho any Toamasina indrindra ilay kamiao tamin'io.
Ambatoroka - Fiara kely latsaka tao anaty hantsana. Tany anaty hantsana sahabo ho 30 metatra any vao tajafanona ilay fiara kely Golf niharan-dozam-pifamoivoizana teny Ambatoroka, ny asabotsy alina teo. Vaky avokoa ny fitaratra ary na ny vatany aza dia niforitra.
Nangonin'i




Rallye Jovenna
Classement
1. Dani-Fidi (Clio Point Pacom) : 2h 46' 51''
2. Ice Man-Laurent (Nismo Sunny GTI-R) : 2h 48' 29''
3. Sitraka-Thierry (Subaru Total Quartz) : 2h 49' 08''
4. Dahery-Haingo (Subaru Impreza) : 2h 51' 11''
5. Nashemi-Solohery (Toyota Celica Somac) : 2h 52' 24''
6. Mathieu-Davonjy (Peugeot 205 Otis Climatel) : 2h 52' 28''
7. Freddy-Yachine (VW Racing Polo TDI) : 2h 53' 15''
8. Laza-Jimmy R (Mitsubishi g roupe Sicam) : 2h 54' 48''
9. Nirina-Lucas (Peugeot 306 S16) : 3h 00' 44''
10. Jano-Ratin (Peugeot 205) : 3h 02' 07''
11. Anders-Vero (Citroën AX) : 3h 05' 41''
12. Gui gui-Bone-Fossy (Subaru Galana Gulf Otis Climatel) : 3h 07' 18''
13. Liva kely-Tobi (Volkswagen Golf GTI 16S) : 3h 10' 27''
14. Njafan-Mamisoa (Citroën Saxo) : 3h 13' 23''
15. Tsiry-Rija (Peugeot 205 16S) : 3h 15' 53''
16. Legah-Lolot (Peugeot 205) : 3h 22' 14''
17. Titou-Mijoro (Renault 19 16S) : 3h 35' 23''
18. Bera-Tolotra (Peugeot 204) : 3h 43' 37''
19. Sandrine-Marc (Citroën AX) : 4h 09' 28''
20. Luc-Naina (Peugeot 205 Viva) : 4h 29' 08''





Fanendahana
Renim-pianakaviana norasaina ny hareza
Renim-pianakaviana iray no noendahin'ny ankizivavy sy ankizilahikely 4'mis, teny Ambodin'Isotry. Sady very fananana no voarasarasa ny antsy izy.
Naratra mafy ary tsy maintsy nentina nozairina tany amin'ny hopitaly ny tarehin'ilay renim-pianakaviana norasaraisain'ny jiovavy sy jiolahy kely teny amin'iny faritr' Ambodin'Isotry iny, ny asabotsy maraina teo. Dian' hareza efatra no indray hita teo amin'ny tarehiny ka ny roa tamin'ireo no tena tataka be sady lasa lalina, izay tsy maintsy nozairina, araka ny efa voalaza tery aloha.
Teo amin'ny handriny somary nanakaiky ny masony sy teo amin'ny takolany havia no tena zava-doza tamin'izany, fa ireo roa hafa, teo amin'ny tendron'orony sy teo amin'ny takolany havanana tsy dia naninona firy.
Naneno tao am-paosy
« Ireo ankizikely 4'mis ireo no nanao an'izao. Dimy izy no niaraka, vehivavy ny efatra ary lahikely ny iray. Nikiaka niantso vonjy aho raha noendahiny sy novonjen'izy ireo nodidiana ny hareza. Sady nandositra izy ireo no nandidy ny tarehiko. Roa vavy izy no tena nanao an'io. Fa ny sisa lasa nandositra rehefa nikiaka aho », hoy izy. Saingy tsy lasa lavitra ny iray dia tratran'ny fokonolona teo an-toerana. Io indray no nanondro ny namany vavy iray avy teo. Finday teny aminy, niaraka tamin'ny poketrany enti-tanana no norobain'ireto jiovavy sy jiolahy kely ireto.
Handeha hanati-bary ny vadiny niasa tany Analakely ity renim-pianakaviana ity tamin'io fotoana io. Teny amin'ny 67 ha izy, raha ny fanazavany, no niainga ary nanivaka nandeha an-tongotra tamin'iny Ambodin' Isotry iny, niazo an' Isotry sy Tsaralalàna dia mivoaka ao Analakely. Ary tamin'izay no nifanenany tamin'ireo ankizikely 4'mis. Mbola feno olona ihany koa ny arabe.
« Sendra naneno tao am-paosiko ny findaiko tamin'io no ren'izy ireo. Tsy mbola nalaiko akory ilay izy fa tonga dia tenin'izy ireo no reko nilaza ny fisian'ny finday aty amiko », hoy ity renim-pianakaviana. « Dia mody nanaovan'izy ireo sary niadiady, nifamaly, teo aho. Kanjo tao anatin'izay rehefa tety an-tanako ilay finday, no nanendahany ahy », hoy ihany izy.





Fanafihana sy fandrobana
Lehilahy nigadra nanao fanafihana
Lehilahy iray anisan'ny voampanga tamin'ilay raharaha famonoana an-dRama-lanjaona Fils, sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny Mponina tamin'ny andron'ny fitondran'ny amiraly Ratsiraka, no niverina niatrika ny Fitsarana heloka bevava tao Anosy, omaly. Raharaha hafa mikasika fanafihana kamiao handeha hividy voanjo tany Port-Bergé, ny volana novambra 1994, izay nitondra vola valo tapitrisa ariary, no niakarany fitsarana tamin'izany. Tao Antsiafabositra, tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, ity kamiao ity no tratran'izy ireo ka notafihiny.
Sivy lahy izy ireo no voalaza fa indray nanatanteraka ny fanafihana, ka samy nanana ny anjara asany avokoa. Saingy ny telolahy tamin'ireo ihany no tonga niatrika ny fitsarana azy. Anisan'izany ity voarohirohy tamin'ny raharaha Ramalanjaona Fils ity. Raha ny fanazavany, ary
notsindrian'ny Fampanoavana ambony, dia efa voatazona tany am-ponja tamin'ity raharaha vonoan'olona ity izy tamin'io fotoana io no nandeha nitsoriaka niaraka tamin'ny namany nanatanteraka ny fanafihana. Ka tsy niverina namonjy ny fonja raha tsy ny maraina. « Nanao asa ivelan'ny fonja, naka kitay aho, no nantsoin'ny namako. Dia lasa », hoy izy teo amin'ny fitsarana.
Samy niaiky ny fandraisany anjara tamin'ity fanafihana kamiao ity ny ankamaroan'izy telolahy, na dia teo amin'ny fandraisana ny anjara tamin'ilay vola nangalarina aza. Ary dia nifona teo anatrehan'ny fitsarana.
Namoaka didy ny fitsarana ka nosaziana 14 taona an-tranomaizina, asa an-teri- vozona, daholo ireo voampanga. Maro ny sazy azon'izy ireo, saingy nanome fanakambanan-tsazy azy ny fitsarana. Ny sazy farany ambony no noraisina hotanterahin'izy ireo.
Koa satria efa nigadra tany am-ponja foana izy telolahy ireto nanomboka tamin'ny taona 1994 nanatanterahany an'ilay fanafihana dia naman'ny efa nahefa ny saziny izy ireo. Ireo tsy tonga kosa namoahan'ny fitsarana didy mampisambotra avy hatrany.




Anosibe
Nohenoina ny vadin'ilay polisy vavy maty
Nantsoina tao amin'ny biraon'ny polisy misahana ny heloka bevava tao Anosy, omaly maraina, ny vadin'ilay polisy vavy, Zalina Geneviève, hita faty tao amin'ny hotely iray teny Anosibe, ny zoma maraina teo. Nohenoin'ireo mpanao famotorana tao izy mikasika an'ity fahafatesan'ny vadiny, sao misy ifandraisany amin'izany na tsia. Voalaza mantsy fa noho ny olana nisy teo aminy sy ity polisy vadiny ity, izay tonga hatrany amin'ny fisarahan-toerana mihitsy, dia anisan'ny ipetrahan'ny ahiahy amin'izany izy. Saingy tsy afaka ny hamaritra avy hatrany an'izany ireo mpanao famotorana raha tsy amin'ny alalan'ny fanadihadiana. Polisy ihany koa moa ity vadiny ity.
Mbola hisy ihany koa, raha ny fanazavana azo, ny fitiliana tsy maintsy hatao mikasika an'ilay vera hita tao amin'ny efitranon'ny hotely nahitana ny razana, izay voalaza fa nampiahiahy. Taorian'ny fihainoana azy moa dia nalefa nody avy hatrany izy.




Ambohimahitsy
Ady tany nivadika raharaha ady heloka
Nivadika ho raharaha ady heloka ny raharahan'ilay ady tany nifanaovan'olon-droa eny amin'iny faritr'Ambohimahitsy iny. Nampiakatra ny raharaha teo anivon'izany sampam-pitsarana izany mantsy ny andaniny, raha resy teo amin'ny ady madio. Ka raharaha fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka teo amin'ny fakàna ny taniny no nitondrany ny azy.
Nandresy teo amin'ny raharaha ady madio mantsy ny ankilany nifanandrina taminy, milaza, araka ny didy nivoaka, ny handravana ny tranon'izy ireo izay efa niorina ela teo amin'ilay tany ifanolanana. Ka efa tonga teny an-toerana ny vadintany saika hanatanteraka izany.
Tsy afa-po tamin'izay ity resy ka nampiakatra ny raharaha ho amin'ny sampam-pitsarana ady heloka. Mbola tantara mitohy, araka izany, ny raharaha.




Brèves
Indices
Tolagnaro - Première foire régionale. La région d'Anosy a accueilli sa première foire régionale la semaine dernière. C'est une manifestation économique et commerciale, organisée par la société Mada Vision. L'événement a permis de mettre en valeur les potentiels de cette région qui abrite l'un des plus grands projets miniers du pays, mais également une destination touristique importante.
Élevage - Un ranch de dindes dans l'Androy. La région de l'Androy, avec ses 53 communes, a décidé de mettre en place une ferme de dindes à Ambovombe. Le projet, qui est une sorte de vitrine régionale, vise à montrer aux éleveurs locaux la technique d'élevage moderne tournée vers le marché.




Antson'ny sembana
Ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny olona manana fahasembanana dia natsangana tamin'ny fivoriam-ben'ireo Firenena mikambana tamin' ny volana desambra 2006.
Noho izany dia io fifanarahan io no lahatsoratra voalohany izay mikasika ny zon'ny olombelona tamin' ny taonjato faha-XX.
Ny tanjona dia ny hanondrotra, hiaro ary hiantoka feno sy mitovy ny zon' olombelona sy ireo fahafahana malalaka tokony homena ny olona manana fahasembanana ary ny fanajana ny maha izy azy tanteraka (andalana voalohany). Madagasikara, izay nosoloin'ny tambazotran' ny fikambanan'ny olona manana fahasembanana tena dia nandray anjara tamin'ny fivorian'ny komity ad-hoc-n'ireo Firenena mikambana tamin'ny fiarahana nandinika farany ny lahatsoratra momba ny fifanarahana.
Tamin'ny volana septambra 2007, ny filohan'ny Repoblika malagasy dia nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny olona manana fahasembanana ary tambazotra'ny fikambanan'ny olona manana fahasembanana dia tena nankasitraka izany finiavana izany, izay manamora ny fanatanterahana ny lalàna ao amin'ny lalàna 97-044 nivoaka tamin'ny 1998 sy ny hitsivolana izay efa misy eto Madagasikara.
Izahay, tambazotran' ny fikambanan'ny olona manana fahasembanana dia maniry ny mba hidiran' i Madagasikara amin'ny fanarahana io fanekena io.
Fikambanana maro




Brèves
A chaud
Haute Matsiatra - En réunion. Les conseillers régionaux de la Haute Matsiatra siègent à Fianarantsoa depuis hier. L'élection du président et des membres du bureau ainsi que l'examen du règlement intérieur devraient faire partie de l'ordre du jour de la première réunion. Dans la région de Diana, l'élection du président du Conseil a déjà eu lieu, hier, à Antsiranana et les conseillers ont choisi Nourredine à la tête du «Parlement» régional.
Tsimbazaza - Visite de 12 anciens députés. Le premier vice-président de l'Assemblée nationale, François Emile Rakotomalala, a reçu, hier, au palais de Tsimbazaza, 12 anciens députés français. En visite non officielle, ces derniers se sont montrés curieux des préparatifs d'accueil de la 16e Assemblée régionale Afrique de l'Assemblée parlementaire de la francophonie.
Analamanga - Formation. Les chefs de districts dans la région d'Analamanga suivent une formation de leadership de trois jours à Iavoloha. Les séances ont commencé lundi. Outre les chefs de districts, les autres responsables de l'administration régionale sont également présents au rendez-vous.
Diplomatie - Fête nationale sud-africaine. Une cérémonie marquant la fête nationale sud-africaine a eu lieu mardi à Androhibe, résidence de l'ambassadeur. La délégation gouvernementale a été dirigée par Marcel Ranjeva, ministre des Affaires étrangères.




Fanodinkodinana fitaovam-piadiana
Tsy nanaiky ho tsaraina i Coutiti Assolant
Nolavin'i Coutiti ny fiantsoana azy hiatrika fitsarana. Ny sazy marobe efa azony no nahatonga izany, hoy ny mpiaro azy. Notsaraina ihany ny raharaha ary dia niampy indray ny saziny.
Mikomy tsy mety hotsaraina intsony i Coutiti Rémi Assolant. Tsy tonga niatrika ny fitsarana azy tokoa mantsy ny anao lahy, omaly. Raharaha mikasika ny fanodinkodinana fitaovam-piadiana sy halatra bala no tokony natrehany teny amin'ny fitsarana. Laviny avokoa, araka ny tatitra nataon'ny lehiben'ny fonjan'i Tsiafahy, izay novakiana teo amin'ny fitsarana, ny fiantsoana azy rehetra avy any amin'ny fitsarana. Nanomboka tany amin'ny fiantsoan'ny mpitsara mpanao famotorana azy tamin'ny didy mampitondra azy ho eny amin'ny fitsarana, ka hatramin'ny taratasy fiantsoana azy hiatrika ny fitsarana.
« Heverina ho toy ny manatrika ny fitsarana i Coutiti satria mahafantatra, ka dia hotsaraina ny raharaha na dia mandà izany aza izy », hoy ny mpitsara teo amin'ny Fampanoavana ambony.
« Zon'ny voampanga ny tsy mety hotsaraina. Ary noho ny tsy fisian'ny fanadihadiana lalina nataon'ny mpitsara mpanao famotorana azy dia tsaraina araka ny tatitra nataon'ny sampan-draharaha manokana mpanadihady momba ny raharaham-panjakana izy », hoy koa ny mpitsara nanamafy.
Notsipihin'ny mpisolo vava azy, izay tafaresaka tamin'ny mpanao gazety, fa ny olona arovany no efa mandà ny fitsarana azy, ka tsy afaka manao na inona na inona intsony ihany koa izy. Nosoritany fa ireo sazy marobe azon'i Coutiti hatramin'izay - asa an-terivozona mandrapahafatiny intelo sy fanasaziana an-terivozona mandritra ny 47 taona (raha atambatra) - no nahatonga ny olona arovany mandà tsy hotsaraina intsony ary efa nanambara izany teo amin'ny fitsarana izy.
Voaheloka indray koa anefa ny lehilahy, omaly. Voasazy hanao asa an-terivozona mandritra ny folo taona miampy fandoavana lamandy telo tapitrisa ariary.
Fitanana basy « Kalach » iray laharana 533 160, bala miisa 30 mirefy 7,62 mm ary basy poleta marika « Makarov » mirefy 9 mm laharana 7083 (izay nanaovany fitanana an-tsoratra mazava ny fitazomana azy nefa tsy naveriny rehefa tonga ny fotoana hanaovany izany) sy fidirana an-keriny niaraka tamin'ny fangalarana bala tao amin'ny « soute »-ny toby miaramila fahafito tao Antsiranana, no nitsarana azy.
Namaky fitehirizana bala
« Soute » na antsoina ihany koa hoa « pyrotechnie » izany hoe fitehirizana fitaovam-piadiana mahery vaika izay tsy ampiasaina raha tsy amin'ny tany miady ity novakian'i Coutiti ity.
Bala miisa 1 400 mirefy 7,62 mm araka ny « lot » M 67-69 no navoakany tao. Bala fiandry amin'ny tany miady anefa ireo. Niditra an-keriny tao izy. Nitonona ho lehiben'ny ady tao anivon'ny governoran'Antsiranana. Norahonany ny mpiambina. Tsy nisy fahazoan-dalana anefa teny aminy.




Fanamparam-pahefana
Ben'ny tanàna niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana tao Anosy, tao amin'ny Fitsarana ady heloka tsotra, omaly, ny ben'ny tanànan'ny kaominin'ambanivohitra ao Beronono-Anjorozobe. Voampanga ho nanao fanamparam-pahefana sy fanambaniana olona izy.
Vehivavy mpampianatra iray, mipetraka any amin'iny faritra iny, no nitaraina ho nanaovany izany ka nitondra ny raharaha teo anatrehan'ny fitsarana.
Nambaran'ny mpitory fa manadala azy foana ity olom-panjakana ity, ary nisy mihitsy ny taratasy fandrahonana ho faty sy fanerana azy handoa vola, tonga tao an-tokonam-bavaranany. Nisy miaramila mpampandry tany roalahy nalefa niasa tamin'iny faritra iny koa voampanga ho niray tetika tamin'ity ben'ny tanàna ity. Saingy tsy tonga ireo.
Nandà ny fiampangana azy moa ilay ben'ny tanàna. Nambarany fa fanosoram-potaka azy izany.
Na izany aza anefa nitaky ny fampiharana ny lalàna aminy ny Fampanoavana. Andrasana amin'ny 3 jona ny didy.




Antsahameva
Teratany vahiny telo voaheloka
Nohelohin'ny Fitsarana ady heloka tsotra higadra mandritra ny telo volana ireo teratany vahiny tratra nifoka zava-mahadomelina teny Antsahameva. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba azy ireo.
Nandidy ihany koa ny fitsarana ny hanapotehana ireo rongony mbola tavela ao an-tranon'izy ireo.
Nilaza mantsy ireto vahiny ny herinandro teo, amin'ny fiarovan-tenany tamin'ny fitsarana azy ireo, fa ataony fanafody ary hahazoany alalana avy amin'ny mpitsabo ireo rongony ireo, ka izany no antony hifohany azy.




Fitsaboana
Areti-maso sitranina amin'ny alalan'ny lela
Amin'ny alalan'ny lela no hanasitranan'ity renim-pianakaviana iray ny maso tratry ny aretina avy amin'ny biby kely na zava-kafa. Eny Ambohimanarina eny no misy azy.
Mbola manana ny lanjany ihany eto amintsika, na dia eo aza ny fahamaroan'ny fanafody sy ny fisian'ny mpitsabo, ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy any ambanivohitra lavitra be any ihany no ahitana izany fa na dia ny aty an-drenivohitra izay heverina fa toerana ahitàna ny zava-drehetra ihany koa aza.
Iray amin'ireny mpanasitrana nentin-drazana ireny ity renim-pianakaviana iray, Rasoarimalala Julienne Edmée, monina eny Madera Anosivavaka, izay malaza amin'ny fitsaboana maso amin'ny alalan'ny lela. Raha ny marina, araka ny fanazavany, dia tsy fitsaboana loatra no ataony fa ny manala ireo zavatra tafiditra ao anatin'ny maso. Toy ny biby kely, ny laim-biby sy ny lain-java-maniry (laim-pary sy laim-bary)... sy manadio azy. Kanefa nosoritany fa na dia asiana fanafody aza ny maso tratran'ireo tarehin-javatra ireo, dia elaela ihany vao sitrana noho ilay izy alaina amin'ny lela.
« Sady manala an'ireo zavatra ao anaty maso ireo ny lela no manadio ny maso. Ary tsy maintsy manao izany na dia maso efa mandeha tai-maso be aza. Tsy maintsy manadio amin'ny rano koa anefa mialoha ny anaovana izany », hoy izy.
Talenta manokana
Tsy nianaran'i Julienne ity fomba fitsaboana maso hafa kely ity fa efa « talenta manokana » (don) nipetraka tao aminy. « Ny dadabenay no nanao an'io teto Ambohimanarina. Rehefa antitra izy dia nafindrany tamin'ny dadanay, ary izaho indray no nandimby azy », hoy izy. Valo mianadahy izy no iray tampo fa izy irery no manana izany talenta izany. Ka na manao an'io fomba fitsaboana maso io aza ireo iray tampo aminy dia tsy mahaafaka izany.
« Tsy mikarama na mivelona amin'ity fitsaboana maso ity aho fa ny olona no manome ahy, araka izay foiny. Efa notenenin'i dadabenay mantsy fa tsy azo atao ny mitaky vola amin'ireo olona tra-pahasahiranana », hoy i Julienne.
Olona maro, araka izany, no efa novonjen'ity renim-
pianakaviana ity mikasika izany. Nozarazaraina ho samy manana tokoa ny fanomezam-pahasoavana !





Zandarimaria
Nohamafisina ny fitsipi-pitondran-tena
Tafiditra ao anatin'ny ady amin'ny kolikoly, dia ny nanao atrik'asa nandinihana ny fankatoavana sy ny fampiharana ny fitsipi-pitondran-tena eo anivon'ny zandarimariam- pirenena, ny zandary avy amin'ny sampana isan-karazany misy eto Madagasikara. Zandary 60 mirahalahy izy no indray niatrika izany teny amin'ny sekolim-pirenena ho an'ny mpitsara sy ny mpiandraiki-draharaha teny Tsaralalàna, ny alarobia teo.
Zava-dehibe ny fahaiza-manao eo amin'ny asa. Fa mbola ambonin'izany ny fanajana ny fahamarinana sy ny fahamendrehana ary ny fahatokisana. Zandary modely eo amin'ny fitondran-tena sy manana toe-tsaina mandà sy mankahala kolikoly no ilaina. Ary izay no kendrena, raha nanao an'ity atrik'asa ity ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANKAZOBE - Tratra ireo nanafika mpanangom-bokatra. Notsimponin'ireo zandary avy ao Ankazobe tsirairay avokoa ireo olona nanafika an'ilay lehilahy mpanangom-bokatra tao Maharidaza avaratra, kaominin'i Talata Angavo, ny marainan'ny talata 29 hifoha 30 aprily teo.
FITSARANA - Nahemotra ny raharahan'i Voninahitsy Jean Eugène. Tsy raikitra, omaly, ny fitsarana an'i Voninahitsy Jean Eugène tao amin'ny Fitsarana ambony, tamin'ilay raharaha firaisana tsikombakomba tamin'ny fahavakisan'ny fonja tao Antanimora, ny volana jolay 2006.
TOLIARA - Omby 100 voaroba. Jiolahy roa no indray nandraoka omby 100 tao amin'ny kaominin'i Maromiandra, Toliara II, ny alarobia alina teo. Niezaka ny nanao ny fanarahan-dia taorian'izay ny fokonolona sy ny zandary fa tsy mbola misy mangirana. Ela lasa lavitra ireo jiolahy.
Nangonin'i




Petite vitesse
Mpivarotra no mameno arabe
Kely sisa, raha tsy misy ny fandaminana, dia ho lasa tsena ny lalana amin'iny petite vitesse iny, satria fenon'ny mpivarotra. Zara raha misy andehanan'ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra.
Efa tafahoatra mihitsy ny ataon'ireo mpivarotra amoron-dalana amin'iny lalana amin'ny Petite vitesse iny, manomboka eo Tsaralalana akaikin'ny paositra, mandrapahatonga any Isotry. Izy ireo no mameno ny lalana. Na ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ity na ny arabe ho an'ny fiara. Zara raha misy andehanan'ny olona sy ny fiara. Ary ireto farany indray aza no mila hifanitsaka satria faritra kely fotsiny sisa no azon'izy ireo andehanana.
Tonga eny avokoa na mpivarotra hani-masaka na mpivarotra kojakoja ao an-dakozia, na mpivarotra entana mora vidy, hatramin'ny mpivarotra lamba efa nanaovana (friperie).
Raha ny fanazavan'ity mpamily fiara mpitatitra iray, izay mampiasa an'iny lalana iny isan'andro, R Maurice, dia mitombo isan'andro mihitsy ireo mpivarotra amoron-dalana mibahana amin'iny Petite vitesse iny.
« Voakotaba avy any Tsaralalana sy Analakely any izy ireo dia manorim-ponenana eny. Efa ao anatin'ny faritra be mponina anefa iny faritra iny, ary tsy mahagaga raha toa ka feno loto ny lalana », hoy izy. Ny mpangarom-paosy ihany koa manao ny ataony.
Filaharam-ben'ny fiara
Tsy andavan'andro, tsy andro tsena fa izany foana no iainana amin'iny lalana iny.
Tsy laitra ny filaharam-ben'ny fiara, satria dia saika izany foana no iainana amin'iny lalana iny, afa-tsy ny alahady tolakandro ihany. Raha tokony ho vita ao anatin'ny dimy minitra ny manala an'iny lalana amin'ny Petite vitesse iny, satria ny lalana araka izay anarany izay tsy azo andehanana mafy, dia matetika any amin'ny 30 minitra any. Raha andro tsena aza 40 minitra no lany aminy. Iray kilometra eo anefa raha misy ny halavany (ho an'ny fiara mivoaka mankany Isotry), ary tsy misy 500 metatra akory izy ho an'ireo fiara hiditra an'i Tsaralalana. Kanefa dia izany ny fotoana lany amin'ny fandalovana eny an-toerana.
Misy ihany ireo mpiasan'ny kaominina manala ireo mpivarotra amoron-dalana amin'ireny arabe eto an-drenivohitra ireny, fa iny amin'iny Petite vitesse iny, tsy mba misy an'izany. Koa tairina ihany ny sain'ireo tompon'andraikitra hijery akaiky an'izany.





Hosoka
CD piraty an-jatony tratran'ny zandary
Telo andro monja taorian'ny nivoahan'ilay sarimihetsika malagasy, « Malok'ila 3 sosona », izay novokarin'ny trano mpamokatra Scoop Digital, dia efa nitobaka teny am-pelatanan'ireo mpivarotra CD piraty sahady izy ity. Nanao be midina tamin'izany ary, ny asabotsy teo, ny zandary avy ao amin'ny sampana fikarohana eny Fiadanana, raha nametrahan'ity trano mpamokatra lehibe ity taratasy fitarainana. Ary dia tratra teo avokoa ireo tonta kely izay azo lazaina fa tambazotra iray mpanao izany hosoka izany.
Olona valo, CD hosoka mahatratra 3000, fitaovana famokarana toy ny solosaina, « photocopieuse » ... am-polony, taratasy misy ny fono marevak'ireo kapila natao hosoka, ... no tratra.
Raha ny fanazavan'ny komanda Ramaroson Tahiana, lehiben'ity sampam-pikarohana heloka bevava eo anivon'ny zandarimaria ity dia tsy vitan'ny horonan-tsary « Malok'ila 3 sosona » fotsiny no hita teny am-pelatanan'ireto olona tratra ireto, fa hatramin'ny vokatr'ireo mpanakanto malaza ihany koa. Toa izany ry Njakatiana, Melky, Dah'Mama, Lianah, ny an'ireo hira ara-pilazantsara sy ny an'ireo mpanao vakodrazana, toa an-dry Raveloson avy any Arivonimamo.
Tratra ao avokoa na mpivarotra CD hosoka na mpamokatra azy. Misy amin'ireo olona tratra aza ny mpampanofa horonan-tsary izay manana taratasy ara-dalàna amin'ny fahafahana manao izany. Nefa dia horonan-tsary hosoka marobe no tratra tao aminy. Teny Analakely, Behoririka, Anosibe, Itaosy, nipaka hatreny Ivato teny amin'ny seranam-piaramanidina ny be midina nataon'ireo zandary.
Anio izy ireo, raha tsy misy ny fiovana, no atolotra ny Fampanoavana etsy Anosy.





Tafika malagasy
Manamboninahitra ambony niatrika fanadihadiana
Niasa, omaly, ny kaomisionan'ny fanadihadiana eo anivon'ny tafika malagasy. Manamboninahitra ambony iray no niakatra, nanaovana fanadihadiana tamin'izany, teny amin'ny etamazaoron'ny tafika an-dranomasina teny Ambatonakanga. Tsy nisy nipika moa ny raharaha, ka tsy voafaritra mazava izay antony nanaovana fanadihadiana azy.
Saingy na izany na tsy izany, araka ny vaovao re, dia manamboninahitra ambony voasaringotra tamin'ny raharaha fanodinkodinam-bola teo anivon'ny tafika malagasy ity nanaovana fanadihadiana ity. Ary efa nisy ny fotoana niakarany teo anivon'ny fitsarana sivily mikasika izay raharaha izay.
Mitovy lenta amin'ny asan'ny fitsarana sivily mantsy ny asan'ity kaomisionan'ny fanadihadiana ity.




Fanodinkodinam-bola
Mpiasan'ny Firaisana voaheloka 5 taona
Nohelohin'ny fitsarana heloka bevava, omaly, ny mpiasan'ny Firaisana tao Andoharanofotsy, izay voampanga ho nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana mitentina 25 340 698 ariary. Asa an-terivozona mandritra ny dimy taona miampy tsy fahazoana manao ny asam-panjakana intsony no sazy nampiharin'ny fitsarana taminy.
Tamin'ny taona 2005 no nahatrarana ny tsy fandehanan'ny vola ara-dalàna tao amin'ity kaominina ity ka nahatonga ny ben'ny tanàna tao aminy sy ireo mpiara-miasa aminy nandefa ny taratasy fitarainana tany anivon'ny mpitandro ny filaminana. Tamin'ny famotorana nataon'ny zandary dia niaiky ny heloka vitany ity mpiasan'ny firaisana ity. Nambarany fa tratry ny fakam-panahy izy noho ny fahasahiranana nianjady taminy.




Loza
Namoy ny ainy ilay nianjeran'ny hazo
Tsy tana, na dia nentina tany amin'ny hopitaly aza, ny ain'ilay lehilahy iray, nianjeran'ny hazo teny Antanetibe Antehiroka, tao amin'ny toeram-pivarotan-kazo iray, ny alakamisy teo. Ireny hazo mavesatra milanja 60 kilao ireny mantsy no indray nianjera teo ambony lohany. Vaky, araka izany ny lohany ka vava fery be no tazana tamin'izany avy tety ivelany. Nijininika tsy hay nofefena ny ra, ary vokatr'izay fahaverezan-dra be loatra izay no nahavoa azy.
Mpiasa tao amin'ity fivarotan-kazo ity io niharan-doza io ary teo am-pitrandrahana ilay hazo izy izao tra-doza izao.




Brève
Minute
Ambohitrimanjaka - Une dépouille récupérée de l'Ikopa. Le cadavre d'une femme d'une cinquantaine d'années a été repêché dans l'Ikopa, hier. Le constat de la police n'a révélé aucune trace de blessure sur le corps. Aucun indice ne permet d'avancer l'hypothèse d'une noyade. Non identifiée, la dépouille a été emmenée à la morgue de l'hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona.




Ankorondrano
Jiolahy tratra niaraka tamin'ny basy vita gasy
Voadaka teo amin'ny ankasarotany ka noraisim-potsiny ity jiolahy nikasa hanafika teratany vahiny teo Ankorondrano, ny alahady teo. Basy poleta vita gasy no tratra teny aminy.
Sendra ny nahay azy ity jiolahy iray nanafika teratany vahiny tetsy Ankorondrano ka noraisim-potsiny. Saika ny ainy indray aza no nanefa. Tao amin'ny Cité Firaisana no niseho ny tantara, ny alahady maraina teo.
Raha iny niditra tao an-tranon'ity renim-pianakaviana vahiny iray iny mantsy izy sy ny namany iray ka andeha hanakenda azy tao an-trano, dia voatsipaky ny dakan'ilay vehivavy mafy be tampoka teo amin'ny ankasarotany. Tonga dia nipitika teo ilay jiolahy, ary tsy vitan'ny nipitika fotsiny fa nitsirara tsy nahalala izay ambonin'ny tany mihitsy.
Taitra ny zanak'ity renim-pianakaviana ity tany an'efitranony tany, ka niezaka nijery ny reniny sy hamonjy. Nefa ny reniny nangitakitaky ny hatairana sy ilay jiolahy nitsirara teo amin'ny gorodona sisa no hitany. Tsy tratra intsony fa lasa nandositra mantsy ilay namany.
Nandamoka ny tetika
Finday iray nipetraka teo ambony latabatra no notsehany. Niantso vonjy tamin'ny manodidina ihany ireto niharam-boina fa efa dila, tafavoaka ny vavahady ilay jiolahy.
Saika haka vola tao amin'ity renim-pianakaviana ity no antondian'izy ireo, raha ny fanazavan'ilay jiolahy tratra. Soa ihany fa tsy tanteraka ny teti-dratsiny satria nivonona tamin'ny famonoana mihitsy izy ireo raha ny fitaovana hita tao anaty harona novimbiny, izay namitahany an'ireo mpiambina roalahy teo am-bavahady ka nahafahany niditra ny tanàna.
Hita tao avokoa mantsy na ny basy poleta vita gasy, na ny satroka bà, ny « cache-nez » sy ny taratasy hanampenana sy hanentsenana vavan'olona, ny kasikety ...
Polisy nandamina ny fifamoivoizana teo Ankorondrano no nantsoina nisambotra an'ilay jiolahy voadaka. Nentina avy hatrany namonjy ny biraon'ny polisy teo Ankorondrano ihany izy, rehefa nahazo aina.
Anisan'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha ity ihany koa ireo mpiambina roalahy, noho ny tsy nanajany ny fepetra amin'ny fampidiran'olona eo amin'ny vavahady miditra ny tanàna. Atolotra ny Fampanoavana anio ny raharaha.





Antananarivo-Renivohitra
Tsy handoa ny karaman'ny sefom-pokontany ny kaominina
Nitafa tamin'ny mpanao gazety, ny asabotsy teo, ireo delegen'ny firaisana enina eto an-drenivohitra. Naneho ny hatairany izy ireo tamin'ny fitarainana nataon'ny sefom-pokontany. Mikasika ny fitakian'izy ireo ny tambin-karamany dia notsipihin'ireto delegen'ny firaisana ireto fa tsy andraikitry ny kaominina velively ny fandoavana izany, raha ny lalàna no jerena.
« Araka ny andiny faha-18 ao anatin'ny didim-pitondrana laharana faha 2007-151 tamin'ny 19 febroary 2007, dia ny kitampom-bolam-panjakana no manefa ny tambin-karama isam-bolan'ny sefom-pokontany », hoy izy ireo. Araka izany dia tsy fahefan'ny ben'ny tanàna velively ny fandoavana an'ity tambin-karaman'ny sefom-pokontany ity, izay voalaza fa efa dimy volana izao no tsy voarainy.
Raha ny didim-panjakana voarakitra eny ambony ihany koa no jerena dia tokony ho efa nisolo ireo sefom-pokontany ireo raha vantany vao voatendry ny ben'ny tanàna vaovao. Saingy ny « préfet de police » no mbola mitàna azy ireo. « Koa dia izy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandehanana ny komitim-pokontany », hoy ihany ireto delegen'ny firaisana enina ireto.
Notsindrian'izy ireo tamin'izany ihany koa ny zava-misy ifandraisan'izy ireo, izay solontenan'ny ben'ny tanàna mivantana, amin'ireo sefom-pokontany. « Mifanerasera tsara izahay, manao fivoriana indray mandeha isan-kerinandro. Nefa dia mahagaga ny filazan'ireo sefom-pokontany fa tsy misy ny fifampiresahana eo amin'izy ireo sy ny ben'ny tanàna », hoy ireto delegen'ny firaisana enina ireto.





Fampandrosoana
Hihetsika ireo mpianatry ny oniversite advantista
Hihetsika handray anjara amin'ny asa fampandrosoana ny firenena ireo tanora mpianatra any amin'ny oniversiten'ny Advantista any Sambaina-Antsirabe. Avy amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsara no entin'izy ireo manatanteraka izany. Ny fandinihana izay asa imasoana sy tanjona hahatrarana izany indrindra no nivorian'izy ireo nandritra ny telo andro, teny amin'ny Auditorium teny Soamanandrariny, ny faran'ny herinandro teo.
Araka ny fanazavan'ny filohan'ny klioban'ny fitoriana ny Filazantsara eo anivon'ny fiangonana advantista, Rakotoarisoa Jean Luc, dia zava-dehibe tokoa ary tsy azo hamaivanina ny fitoriana ny Filazantara, raha hikatsaka ny asa fampandrosoana ny firenena.
« Miainga avy amin'izany avokoa mantsy ny asa rehetra », hoy izy.
Na izany na tsy izany dia nitsidika ny « Fitaratr'i Madagasikara » eny Iavoloha ireo mpianatra nanamafisana izay lohahevitra nodinihin'izy ireo izay. Ary aorian'ny fianarany dia hisy ny firotsahan'izy ireo mivantana eny anivon'ny fiarahamonina hampianatra sy hampiahatra izay fahalalana azony.




Toamasina
CD piraty 150 tratra
Tsy eto an-drenivohitra ihany no iparitahan'ireny CD piraty ireny fa hatrany amin'ny faritra rehetra any ihany koa, ary dia mihetsika manenjika azy ireny ny mpitandro ny filaminana. Tany Toamasina izao dia indray saron'ny polisim-pirenena avy ao amin'ny « commisariat central » ny CD piraty miisa 150.
Dia tsy nisy hafa tamin'izay tratra teto an-drenivohitra, fa hita tao avokoa ireo sangan'asan'ny mpanakanto kalaza toa an-dry Bagzana, Lôla, Din Rotsaka, Mami Basta, Clo Mahajanga, sy ireo sarimihetsika malaza toy ny « Malok'ila 3 sosona » izay vao nivoaka tsy nisy herinandro akory ... Hita tao ihany koa ny sarimihetsika mamoafady isan-karazany.
Mpivarotra mpamongady iray tao an-tanàna no nahatrarana an'ireto CD hosoka ireto. Voalaza fa mipetraka any Ambatolampy-Antsirabe izy, saingy hivarotra an'ireo entana ireo fotsiny no anton-diany tany Toamasina. Mbola tanora vao erotrerony anefa ny lehilahy, satria vao 22 taona monja.
Atolotra ny Fampanoavana, anio izy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Entona manempotra - Narary an-doha ny mpamonjy voina. Samy nitaraina ho narary an-doha avokoa, ny zoma alina, ireo mpamonjy voina nanatanteraka ny asa famonoana afo teny amin'ny tranom-barotra « Eurêka » teny Androndra. Nanempotra mihitsy mantsy, raha ny fanazavan'izy ireo, ny etona simika navoakan'ireo entam-barotra may tao. Tsy maintsy nampiasa irony fitaovana manokana « à air comprimé » irony ireo mpamonjy voina.
Fitifiran'olona - Ho fantatra ny didim-pitsaran'ireo polisy. Anio no hivoaka ao amin'ny Fitsarana ady heloka tsotra ny didim-pitsarana mikasika an'ireo polisy avy ao amin'ny sampana heloka bevava eny Anosy. Voampanga ho namono nahafaty tamin'ny alalan'ny fitifirana tsy nahy an'ilay zazalahikely teny Nanisana, nandritra ny fanenjehana an-dry Mahandry sy ny namany ny taona 2005, izy ireo. Polisy sivy lahy izy no indray voampanga sy notsaraina tamin'ity raharaha ity.
Lozam-pifamoivoizana - Mipitarika sarety maty voadonan'ny fiara. Tsy tana ny ain'ilay mpitarika sarety nodonin'ny kamiao teny amin'iny lalam-pirenena voalohany, teny Imerintsiatosika, omaly maraina tamin'ny 3 ora. Hamily an'ilay ombin-tsaretiny nikasa ny hiditra am-povoan-dalana izy no tra-doza. Voaterin'ilay kamiao tao amin'ny ombiny tao. Maty niaraka taminy ihany koa ny ombiny roa.
Nangonin'i




Séga
Le duo Célimène au CCAC
Le public malgache pourra découvrir un duo pas comme les autres demain à 19 heures au CCAC.
La richesse musicale de Patrick Sida et de David Hoarau est inspirée de la musique traditionnelle réunionnaise et malgache. Le duo propose un répertoire allant de la période baroque à la musique contemporaine, avec un doigté tissé par des pièces sud-américaines et des oeuvres créées pour le cinéma.
Par son nom, le duo rend hommage à Célimène Gaudieux, une célèbre esclave poétesse réunionnaise du 19e siècle.





Didim-pitsarana teny Nanisana
Tsy afa-po ny havan'i Riana
Nohafahan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo polisy sivy lahy voampanga ho nitifitra an-dRazanajaona Riana teny Nanisana, ny taona 2005. Tsy afa-po vokatr'izany ny fianakaviany.
Endrika maloka, feno alahelo, izany no tazana nisoritra teny amin'ireo fianakavian'Itpkl Razanajaona Riana, omaly taorian'ny fivoahan'ny didim-pitsarana mikasika ny raharahan-janany. Ity tovolalahy ity moa dia maty voatifitra teny Nanisana tamin'ny fifandonan'ny polisy sy ny tarik'i Mahandry, ny harivan'ny 24 marsa 2005. Nohafahan'ny fitsarana noho ny fisalasalana avokoa mantsy, noho ny tsy fahampian'ny porofo, ireo polisy sivy lahy avy ao amin'ny sampana heloka bevava tetsy Anosy izay voampanga tamin'iny raharaha iny. « Tsy izy ireny, tsy izy ireny ! » Izany sisa no navoakan'ny vavan'ny rain'i Riana, Razanajaona Manitrarivo, raha nihaona tamin'ireo fianakaviany izy teo am-pivoahana ny efitrano fitsarana.
« Tsy matimaty foana ny zanakay ! »
« Tsy hita mihitsy ny marina. Tsy manome tsiny ny fitsarana aho fa mitsara araka ny antontan-taratasy tonga eny am-pelatanany izy. Fa efa hatrany am-boalohany mihitsy, tany amin'ny famotorana nataon'ny polisy ity zavatra ity no efa nandringa », hoy izy. Nosoritany fa tsy ireny fotsiny ny polisy tonga teny an-toerana tamin'iny fotoana iny, satria nisy ny efa teny nialoha ny fifanjevoana. Nefa dia ireny ihany no natolotra ny fitsarana.
« Tsy mahafa-po ahy mihitsy ny didim-pitsarana. Hitady ny marina ny amin'izay nahafaty an-janako no ilaiko », hoy indray ny renin'i Riana, Ranaivoarisoa Saholy. Vantany vao nivoaka ny efitrano fitsarana mantsy ireto fianakaviana ireto, ny 15 aprily teo, tamin'ny fotoana nitsarana ny raharaha, dia efa nanindry an'izay fikarohana ny marina izay. « Ny marina amin'izay nahafaty ny zanakay no tadiavinay. Fa tsy matimaty foana izy », hoy izy ireo. Ary izany indrindra, mbola notsindrian'ireto fianakaviana niharam-boina ireto omaly, no nahatonga azy ireo nitotototo tamin'ny fikarohana rehetra, na teo amin'ny fanatanterahana ny fitiliana ny taim-bala very teny Nanisana tamin'ny fotoanan'ny fifanjevoana, na ny fanaovana expertise ny fiarany izay norarafan'ny bala avy tao afara... tamin'izay zava-nitranga tamin'iny fotoana iny.
« Tsy hijanona amin'izao aho fa hikaroka ny marina », hoy i Razanajaona Manitrarivo. Nosoritany tamin'izany fa handrava ny didy izy ka hampiakatra fitsarana ambony.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Andavamamba - Tovolahy maty tao anaty lakan-drano. Antsasakadiny teo no nikarohan'ny mpamonjy voina an'ity tovolahy iray latsaka tao anaty lakan-drano teny Andavamamba Anjezika II, omaly maraina. Lalindalina ihany ilay lakan-drano ka nanahirana ny fikarohana azy. Mpivarotra kodiarana eny amin'iny faritra iny izy.
Antananarivo renivohitra - Vonona ny jiro 7000. Mitoby ao amin'ny biraon'ny kaominina ao Anosipatrana ny ampoules miisa 7000 novidian'ny kaominina hanazavana ny tanàna. Ny mpiasan'ny orinasa Jirama indray no tsy mahaaraka amin'ny fametahana azy ireo.
Lalana digue - Tovolahy nisotro fanafodim-biby. Avotra, rehefa notsaboina teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay tovolahy iray nisotro fanafodim-biby, ny asabotsy teo. Teny Andohatapenaka izy no hitan'ny fokonolona ka ny mpamonjy voinan'ny Fivondronana no
naka azy.
Nangonin'i




Sosialy
Hisokatra ato ho ato ireo trano kely fivoahana
Tsy ho ela dia hisokatra ireo tsena sy trano kely fivoahana nataon'ny mpitondra teo aloha teto an-drenivohitra. Manohy ny asa amin'ny fanatanterahana izay tsy vita tamin'ireny ireo mpitantana ny kaominina amin'izao fotoana izao.
«Misy ny fitohizan'ny raharaham-panjakana eo anivon'ny kaominin'Antananarivo renivohitra satria fananam-bahoaka ireny, volam-bahoaka no nanatanterahana azy ireny ». Izany no fanazavan'ny filoha lefitry ny kaominin'Antananarivo renivohitra izay misahana ny raharaha ara-toekarena, ny foto-drafitr'asa, Rasamimanana Olga, raha nanontaniana mikasika ireo trano kely fivoahana sy tsena maro izay naorina tamin'ny fitondran'i Hery Rafalimanana filohan'ny delegaisona manokana ny tananan'Antananarivo teo aloha, izy.
Nosoritany tamin'izany fa antony ara-teknika izay tsy maintsy mbola ilàna fandinihana no antony tsy nanokafana azy ireny hatramin'izay. Ao ny tsy mbola fisian'ny rano amin'ireny toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana ireny. Ao ihany koa ny mbola fikarakarana ny volan'ireo mpandraharaha nanatanteraka ny asa, satria nosoritany fa misy amin'ireo mpandraharaha ireo no mbola tsy lasa tanteraka ny volany, misy ny mbola eo an-dalam-panamboarana ...
Fitohizan'ny raharaha
« Mifandray tsy tapaka ary miara-midinika amin'ireo mpandraharaha nanatanteraka ny asa izahay, ka izany no mbola antony mampihisatra kely ny fisokafan'izy ireny », hoy ihany izy.
Na izany na tsy izany anefa dia nosoritany fa misy amin'ireo asa efa vita tamin'ireny fotoana ireny, toy ny eny amin'ny 67 ha, ao amin'ny tsenan'i Bagdad, no efa milamina ny momba azy ary dia efa nampidirana mpivarotra ao anatiny. Hisokatra tsy ho ela toy izany ihany koa ny eny Anosikely ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo.
« Midika izany fa misy ny fitohizan'ny raharaha », hoy izy.
Maro ihany mantsy ny mametra-panontaniana amin'ireny fotodrafitrasa vitan'ny telo aloha ireny, indrindra fa ny eo amin'ny trano kely fivoahana izay hita fa mbola tsy ampy be dia be raha ny eto an-drenivohitra manokana. Mikasika azy ireny manokana dia nosoritan'ity tompon'andraikitry ny kaominina ity fa ny eo amin'ny lafiny rano hanadiovana ny toerana no mbola olana ao anatiny. « Efa midinika amin'ny orinasa Jirama izahay amin'ny fampidirana rano amin'izy ireny, ary dia hisokatra tsy ho ela, araka izany daholo izy rehetra », hoy ihany izy.





Fitsarana
Notsaraina i Rajaon Davida Alisata
«Voahenjika tafahoatra aho, tsy voahaja ny zon'ny fiarovana, misy zavatra iampangana ahy, nefa tsy nanontaniana ahy akory. Ailika aty amiko daholo ny zavatra tsy nety rehetra, misy olona niara-niasa tamiko akaiky, nefa tsy tonga eto amin'ny fitsarana, tsy voakasiky ny raharaha akory ». Izany no nentin'i Rajaon Davida Alisata, tale jeneralin'ny FID (Fonds d'intervention pour le développement) teo aloha, nanokatra ny fiarovan-tenany, omaly, teo anatrehan'ny Fitsarana heloka bevava, raha notsaraina tamin'ilay raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana niampangana azy izy.
Omaly tokoa mantsy izy no niakatra fitsarana. Fanodinkodinam-bolam-panjakana mitentina hatrany amin'ny enina miliara ariary no niampangana azy tamin'izany. Mbola misy koa anefa fiampangana roa hafa, niandry sy nanadihadiana azy, izay nifanindran-dalana tamin'io fiampangana voalohany io, toy ny fitanana tombontsoa manokana izay nampidirana havana tao amin'ny orinasa Hexaport niara-niasa tamin'ny FID tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny tetik'asa EPT na « éducation pour tous ».
Nandeha tamin'ny ara-dalàna
Eo ihany koa ny fitsabahana sy fisandohana andraikitry ny mpandrindra nasionaly tamin'ny fanaovan-tsonia antontan-taratasy isan-karazany. Na ny voampanga iray aza dia nanamafy an'io voalazan'i Davida Rajaon io teo anatrehan'ny fitsarana. Nilaza izy fa tamin'ny famotorana natao azy dia nobaikoana hoe : ataovy any amin'i Davida Rajaon daholo ny zavatra rehetra.
Araka izany, nolavin'i Davida Rajaon avokoa ireo fiampangana azy rehetra ireo. Tony sy nalefaka izy nanazava tamin'ny antsipirihany ny fandehan'ny raharaha rehetra izay nambarany fa nandeha tamin'ny ara-dalàna avokoa, nanaraka ny fifanarahana misy ao anatin'ny fanaovan-draharaha. Nosoritany fa na ireo nanao famotorana azy aza dia nitanisa ireo tetik'asa izay nentina nandaniana ny vola. Ary raha nisy asa tsy vita, dia noho ny tsy fahatongavan'ny fitaovana sy ny zavatra maro samihafa, fisian'ny rivodoza, fiakaran'ny vidin'ny entana tampoka izay nifanipaka tamin'ny vinavina natao, no nahatonga izany.
15 izy no voampanga tamin'ity raharaha ity. 11 ihany tamin'ireo no voahadihady, na dia nanomboka ny maraina aza ny fotoana. Hitohy anio araka izany ny raharaha.





Anosy
Renim-pianakaviana nitomany teo am-pivoahan'ny didy
Ranomaso havozona, omaly tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy, ny an'ity renim-pianakaviana iray, R.N. teo am-pandrenesana ny didim-pitsarana nanameloka ny vadiny. Voampanga ho nangalatra entana tao amin'ny toeram-piasany teto an-drenivohitra ny vadiny ka voaheloka higadra mandritra ny herintaona.
Tsy tsaroany intsony ny toerana vory vahoaka nisy azy fa ny ranomasony no narotsany be dia be. Soa ihany fa nisy lehilahy sy vehivavy iray niaraka taminy. Ka io no nihazona sy nitondra azy nivoaka ny efitrano fitsarana.
Nentina nivoaka ny trano fitsarana tany an-tokotany mihitsy ilay renim-pianakaviana vao nitony ny ranomasony.




Betongolo
Polisy voaendaka
Polisy iray avy niala fiarakaretsaka no nendahina jiolahy
telolahy teo Betongolo, omaly antoandro tokony ho tamin'ny
12 ora sy sasany teo. Nitondra sabatra ireo jiolahy, raha ny fanazavana nampitain'ny polisim-pirenena, ka tonga dia nanambana izany tamin'ilay polisy no sady nanery azy hamoaka ny vola teny aminy.
Dia nomena ireo jiolahy ny lelavola 160 000 ariary sy ny finday. Tsy nihanona tamin'io anefa ireto farany fa mbola nitaky zavatra tany aminy ihany. Dia mody nisava ny entany izy, nefa basy no navoakany tao ary nanohitra nitifitra an'ireto nanendaka azy izy.
Maty voatifitra teo ny iray. Fa ny roalahy kosa lasa nandositra na dia nisy iray voan'ny bala ihany aza teo amin'ny sandriny.




Homamiadana
Sahiran-tsaina ny marary
Ny fanaintainan'ny aretina zaka ihany ho an'ireo mararin'ny homamiadana. Fa ny vola ilaina amin'ny fitsaboana no tena manahirana azy ireo, ka ilàny fanampiana.
«Tsy zaka ny fanaintainana. Mila hanafotra mihitsy. » Izany no tenin'ity renim-pianakaviana iray, Rakotonandrasana Lalasoa, 35 taona, iharan'ny aretina homamiadana. Ny homamiadan'ny nono no mahavoa azy izay nosoritany fa efa nikiky azy efa ho dimy taona izao.
Zavatra nibontsina kely toy ny lanin'ny moka, tsy marary raha voadona, no nambarany fa niseho teo amin'ny nonony havia. Rehefa ela no nitondrany izany, dia nanapa-kevitra hamonjy dokotera izy ary tamin'izay, rehefa natao ny fitsaboana no nahafantarany ny aretina nahazo azy. Ny sampan-draharaha manokana misahana ny fitsaboana ny aretina homamiadana no nasain'ny mpitsabo nandehanany. « Nasain'ireo mpitsabo nanao chimiothérapie aho nandevonana an'ilay faritra nibontsina teo. Ary dia nolazainy fa rehefa tsy levona ilay izy dia tsy maintsy hodidiana ny nono », hoy izy nanazava.
Mila vonjy
Tsy maintsy notanterahina ny fandidiana, herintaona taty aoriana. Sitrana tsara ny fery teo. « Tsy arakaraka izay anefa ny zava-niseho fa efa-taona taty aoriana, nisy fery nipoitra indray teo amin'ilay faritra nodidiana. Ary dia nanomboka teo indray ny fitsaboako tena », hoy ity renim-pianakaviana ity.
« Tsy kivy aho mitsabo tena. Saingy ny tena mampalahelo ahy dia ny tsy fananako ny ho enti-manana amin'ny vola ilaina amin'ny fitsaboana. Lafo mantsy ny vidin'ny fanafody. Nefa ny fidiram-bolanay tsy maharaka izany », hoy izy. Ny chiméothérapie izay fototry ny fitsaboana fotsiny no nosoritany fa vidiana eo amin'ny 140 000 ariary eo. Anisan'ny fanafody tena ilaina anefa izy io ary tsy maintsy atao isaky ny 21 andro.
Sasa lamba sy asa tanana no ataony, tsy mifanalavitra amin'izay koa ny asan'ny vadiny satria tsy manana asa raikitra firy. Ny fianaran'ny mpianatra sy ny sakafo etsy andaniny. Izany rehetra izany tsy maintsy babena daholo. « Teo aloha aho mba afa-nanao raharaha ihany. Fa amin'izao fotoana izao aho noho io toe-pahasalamako io dia tsy mahazo manao reraka. Ary dia tsy mahavita afa-tsy ny mivarobarotra sisa », hoy ihany izy.
Eo indrindra no anararaotany sy anentanany izay olona tsara sitrapo mba hanampy azy amin'izay fitsaboany tena izay. Eny Androndrakely, lot VM 3 izy no mipetraka.





Tanjombato
Vehivavy nandrovitra taratasim-panjakana
Tsy tahotra tsy henatra ity renim-pianakaviana iray, afak'omaly, dia nandrovitra ny taratasim-panjakana didy fisavana trano avy amin'ny fitsarana, teo imason'ireo polisy. Mbola niantsoany vonjy, nolazainy ho jiolahy ihany koa aza ireo polisy tonga nanatanteraka iraka.Vory vetivety teo ny olona.
Mailo, araka izany, ireo polisy ka avy hatrany dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra nanaparitahana ny manodidina. Ary taorian'izay vao notanterahina ny fisavana ny tranon'ity renim-pianakaviana. Fisavana rongony, araka ny vaovao voarain'izy ireo. Ary dia niharihary teo tokoa ny nafenin'ity renim-pianakaviana ity satria tratra teo ny rongony hamidy.
Fonosan-drongony kely ihany anefa no sarona tao. Nefa tsy azo namaivanina koa fa efa ampy nanamarinan'ny polisy ny vaovao ren'izy ireo.
Olona fito izy no indray voarohirohy tamin'ity raharaha ity, izay natolotra ny Fampanoavana, omaly.




Fitaterana
Mivahavaha ny fanaraham-pitsipiky ny mpitatitra
Niova mpitondra dia lasa mivahavaha be ihany amin'izao fotoana izao ilay fitsipika napetraka teo anivon'ireo mpiasa misahana ny fitateram-bahoaka. Tsy hita firy intsony ilay mpamily fiara manao karavaty, ny mpanampy ny mpamily manao aron'akanjo.
Fiara maloto sy mihoso-menaka, mpiasa maloto fitafiana sy tsy midio, izay no hita mazàna. Izany hoe tsy misy intsony ny fanajana ny asa sy ny mpandeha. Tsy vitsy mihitsy mantsy ireo mpandeha tojo hatezerana satria akanjo madio nentina nivoaka ny trano, rehefa injay nitaingina fiara mpitatitra, loto no nanenika eo am-pivoahana aminy.
Ny loto ateraky ny vovoka azo leferina ihany fa ny loto ateraky ny mena-maintin'ny fiara (rehefa avy manamboatra fiara) no tena manafintohina.
Nambaran'ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra, fa tsy hitazam-potsiny an'ireny gaboraraka ireny izy ireo. « Ny zavatra tsara nampiharin'ny teo aloha ho tazonina. Vao mainka aza hatsaraina ary hisy mihitsy aza ny fandaharan'asa hotanterahina momba an'ity kalitaon'ny asa fitateram-bahoaka ity. Saingy mandeha miandalana ny fampandehanan-draharaha fa tsy azo irotorotoana », hoy ity tompon'andraikitra ity.
« Tsy mivaona amin'ny tarigetrany amin'ny fanatsarana ny tanàna ny kaominin' Antananarivo renivohitra », hoy izy.
Na izany na tsy izany, entanina ny tompon'ny fiara mba hanara-maso ny fampiasana ny fiara sy ny mpiasa eo ambany fiadidiany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
IVANDRY - Lehilahy maty an-drano. Tao anaty dobo, teny amin'iny faritr'Ivandry iny, afak'omaly, no nifatratra ilay lehilahy iray, tokony ho 40 taona. Tamin'iny orana nirotsaka tampoka iny teto an-drenivohitra iny no nisehoan'ny loza. Tsy nisy taratasy mety ho nahafantarana azy teny aminy na kely aza. Efa naterina eny amin'ny tranom-paty eny amin'ny HJRA ny razana.
RAHARAHA DAVIDA RAJAON - Ho fantatra anio ny didim-pitsarana. Andrasana anio ny didim-pitsarana mikasika an'i Davida Rajaon sy ireo olona 14 hafa niara-voampanga taminy. Mbola hitohy androany mantsy ny fitsarana ka ny famelabelarana ataon'ny Fampanoavana ambony sy ireo mpisolo vava no fandaharam-potoana amin'izany. Hisintona ny fitsarana aorian'izay ary hamoaka ny didy.
FJKM AMBOHIMANGIDY - Hankalaza ny fetin'ny taranaka ny fiangonana. Toy ny isan-taona dia hanamarika ny fetin'ny taranaka indray, ny alahadin'ny pentekosta ho avy izao, ny fiangonana FJKM Ambohimangidy Fiadanana, sinodam-paritanin'Antananarivo atsimo. Ny mpitandrina ao an-toerana, Razanajatovo Andriamaromisa, no hitarika ny fotoana. Koa manasa an'ireo zanany am-pielezana, araka izany, ny fiangonana mba ho tonga maro eny an-tanindrazana.
Nangonin'i




Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona
Nohavaozina ny tranom-patin'ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona eny Ampefiloha. Natokana tsy mifampikasoka amin'ny marary intsony ny fivezivezena ao aminy.
Miroso amin'ny fanatsarana ny toeram-piasana amin'izao fotoana izao ny ao amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Iray amin'ireny ny mikasika ny tranom-paty, satria raha nifangaro tamin'ny tokotany fivezivezen'ny marary tao an-toerana, io teo aloha, dia nafindra, natokana tanteraka mihitsy ny faritra misy azy amin'izao fotoana izao.
Ao amin'ny toerana misy azy ihany ny tranom-paty. Saingy ny vavahady fidirana ao aminy no nafindra, natodika any amin'ny ilany avaratra atsinanan'ny hopitaly any.
« Miezaka amin'ny fampanaraham-penitra ny fotodrafitrasa ato amin'ny hopitaly izahay ankehitriny. Manimba ny sain'ny olona mikarakara marary sy ny mpitsabo azy mantsy ny fahitana ireo razana mivoaka sy miditra ao an-toerana», hoy ny talen'ity hopitaly ity, ny dokotera Bruno Andriamiarina.
Tsy vitan'ireo maty avy ao amin'ny hopitaly ihany mantsy, no miditra ao amin'ity tranom-patin'ny HJRA ity fa na ireo maty avy any ivelany ihany koa aza. « Misy mihitsy aza ny olona, noho ny fahasahiranany amin'ny toerana iandrasany razana, no mangataka ny hampidirana ny razany ato amin'ny hopitaly. Azo hatao tsara izany », hoy izy. Ka noho izay tarehin-javatra rehetra izay no nanokanana azy tanteraka.
Fanatsarana
Tsy ny vavahadin'ny tranom-paty ihany, araka izany, no nafindra tao amin'ity toerana ity fa eo ihany koa ny fanatsarana azy, toy ny fandokoana ... hatramin'ny vata mangatsiaka fitehirizana razana.
Notsipihin'ity talen'ny hopitaly ity fa volan'ny hopitaly madio rano, azo avy tamin'ireo vola miditra ao aminy, no nentina nanamboarana an'ity tranom-paty ity. Nisy ihany anefa na
izany aza ny fiaraha-miasan'ny hopitaly tamin'ny orinasa Colas, teo amin'ny fanaovana tsara ny toerana fiantsoan'ny fiaran'ireo olona mikarakara razana ao anatiny.
«Ny hamerenana ny fitokisan'ny olona amin'ny hopitaly no tanjonay», hoy ity tompon'andraikitra ity.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Asa Tanana - Mpanjaitra an-jatony navoakan'ny sekoly Ecova. Mpanjaitra 215 no indray navoakan'ny Sekoly fianarana zaitra Volana (Ecova) teny amin'ny Akany soa fonenako teny Ivato, omaly. Andiany faha-14 nivoaka tao amin'ity sekoly ity izy ireo. Nosoritan'ny talen'ny sekoly, Razanamanalina Volana, fa mahafehy tsara ny karazan-jaitra rehetra izy ireo ary afaka miasa ho an'ny tenany sy manangana orinasa tsara. Efatra ka hatramin'ny folo volana moa no nianaran'izy ireo zaitra.
Analakely - Azo ampiasaina ny tranokely fivoahana. Notokanana omaly ny trano kely fivoahana etsy Analakely, tsy lavitra ny biraon'ny masoivohom-pirenena frantsay. Vita tsara izy ary efa tomombana avokoa ny fotodrafitrasa rehetra nilaina tamin'ny fampandehanana azy, toy ny jiro sy ny rano. Na dia fananan'ny kaominina aza izy ity dia omena ny tsy miankina ny fitantanana azy.
Araben'ny Fahaleovantena - Feno diky ny vavan-tatatra. Mahamanetra ny loto afitsok'ireo olona sasany eo amin'ny Kianjan'ny 13 mey. Saika feno diky mantsy ny manodidina ny vavatatatra eny an-toerana. Amin'ny toerana sasany aza dia ny sisin-dalana mihitsy no misy an'izany. avokoa izy ireo amin'izao fotoana izao.
Nangonin'i




Asa tanana
Tovolahy liana amin'ny hay zaitra
Voasarika amin'ny raharahan-jaitra ihany koa ny lehilahy ankehitriny. Tovolahy iray no mahafehy tsara izany ary maniry ny ho tonga mpiangaly kanto kalaza, ka ho asa fameloman-tena no fahafinaretana.
Tsy natokana ho an'ny vehivavy irery ny fianarana zaitra, fa mba liana an'izy ireny ihany koa ny lehilahy. Anisan'ireny Rakotomamonjy François Nicolas, mpitovo ary manodidina ny 20 taona. Vao avy nahavita ny fianarany zaitra, izay naharitra valo volana, tao amin'ny sekoly Eccova izy.
«Efa mahavita manjaitra ny karazana akanjo rehetra aho amin'izao fotoana izao, na ny tsotra na ny ho an'ny mariazy, eny fa na ny palitao sy ny patalohan-dehilahy mihaja ireny aza», hoy izy.
Nosoritan-d Rakotomamonjy François Nicolas fa nanomboka teo amin'ny 16 taonany izy no efa voasarika tamin'ity resaka zaitra ity. «Ny fahitako an'ireo karazan-damaody hitafin'ny olona no nahatonga ahy ho tia zaitra, satria ireny no tena ankafiziko», hoy izy.
Ry Hagamainty sy mbamin-dry Tachou, izay mpiangaly kanto malaza eo amin'ny resaka zaitra no notsipihany fa tena tiany. Izay fitsiriritany azy ireo izay ihany no vao mainka nanosika azy hankafy bebe kokoa ny zaitra.
Tsy nanana talenta manokana (dons) amin'ny resaka zaitra i François Nicolas, raha ny fanazavany, satria ny ray aman-dreniny dia tsy mpanjaitra, fa tao anatiny tao izy no nanomboka nikirakira sy nifehy izany. Ary dia to izany amin'izao fotoana izao satria efa mahavita manjaitra ny fitafiany izy.
Mpiangaly ny kanto
Nosoritany fa mbola hianatra ny taovolo ihany koa izy aorian'izao fahavitany ny fianarany zaitra izao. Tsy misaraka mantsy ireo fa miara-dalana hatrany, raha ny nanipihany azy.
«Ny tena tanjoko dia ny mba ho mpiangaly ny kanto malaza (styliste) ka hanangana sehatra iasana amin'izany», hoy izy.
Toy ny asa tànana rehetra dia nosoritany fa eo amin'ny lafiny fitaovana ho enti-manatanteraka izany no mazana miseho ny olana.
Lafo mantsy ny fitaovana entina manjaitra, raha tsy hilaza afa-tsy ny milina fampiasa amin'izany fotsiny. Anisany ady ialàna amin'ny tsy fananan'asa anefa zaitra !





Raharaham-barotra
Efa varotana ny akanjo mafana
Efa manomboka miditra tsikelikely amin'ny vanin'andron'ny ririnina isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.
Mihamangatsiaka ihany mantsy ny andro, ary raha ny fanazavana azo avy teo anivon'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro, raha ho an'Antananarivo manokana, dia efa manomboka midina eo anelanelan'ny 12° C sy 23° C ny mari-pana amin'izao fotoana izao.
Manomboka hita eny an-tsena, araka izany, ny fitafiana mafana na eo amin'ny efa niasa izany (friperies), na eo amin'ireo fitafiana eny aranty eny magazay.
Araka ny fanazavan'i Ravaoniriana Hajasoa, mpivarotra ireny fitafiana efa niasa avy any ivelany ireny, dia mbola azoazo ihany aloha amin'izao fiandohan'ny ririnina izao ny vidin'ny akanjo mafana. Satria mbola manodidina eo amin'ny 4 000 ariary ka hatramin'ny 10 000 ariary dia efa mahazo izany. Fa rehefa tonga ny ririnina dia miakatra kely vidiny.
«Ny filàn'ny tsena no antony mahatonga izany, satria izao na dia efa tsapa ho mangatsiaka aza ny andro, dia mbola
betsaka ny olona no tsy mitady izany. Nefa saika efa ireny akanjo mafana ireny no mitobaka eny amin'ireo mpivarotra ambongadiny hakana ny entana», hoy i Hajasoa.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANKORONDRANO - Tovolahy very karatra. Nanomboka ny alarobia teo no very tsy hita tety amin'ny faritra Ankorondrano ny taratasy momba an-dRakotoarisoa Edwin. Anisan'izany ny kara-panondrony mitondra ny laharana 101 251 113 541 nalaina tamin'ny 22 marsa 1999, sy ny «carte bancaire». Koa iangaviana izay mahita azy hanatitra azy ao amin'ny l'Express de Madagascar ao Ankorondrano.
TSARALALÀNA - Renim-pianakaviana very zanaka. Nangenahena tsy nahita izay hatao ity renim-pianakaviana iray nifanary tamin'ny zanany lahikely, fito taona eo, ny zoma teo. Hiditra an'ilay magazay mivarotra an'irony kojakoja an-dakozia irony izy mianaka tamin'io no tsy hitany tampoka teo izay nalehan-janany. Variana nijery ireo entam-barotra mantsy ilay reniny, ka tsy nahatsikaritra izay fihetsika nataon'ilay zazakely.
SABOTSY NAMEHANA - Mpangarom-paosy voadaroka. Tratran'ny fokonolona ambodiomby teo am-pangaronam-paosina tovolahy niantsena, ny alakamisy teo, ity tontakely vao herotrerony . Tonga dia nodarohan'ny olona teo no ho eo izy. Torana tsy nahatsiaro tena mihitsy ranamana ka ny zandary no tonga Ònanavotra sy nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Tao anaty paosin'ilay niantsena mihitsy mantsy ny tanany no tratra.
Nangonin'i




Récital
Sylvie Domergue et Karl Ischebeck à l'AFT
Un duo adepte de la musique classique se produira à l'Alliance Française d'Antananarivo ce vendredi 16 mai à 19 heures.
Karl Ischebeck, un jeune guitariste allemand sera soutenu par Sylvie Domergue, à la flûte et à la guitare, afin d'apporter un nouveau souffle à la musique baroque.
C'est un duo épris sans discrimination de styles musicaux, allant du baroque à la musique latino-américaine. Sylvie Domergue et Karl Ischebeck s'appuyent sur une culture musicale solide.
Le répertoire sera constitué d'oeuvres en solo de Jean Sebastien Bach, Domencio Scarlatti, Fernando Sor, et de pièces en duos latino-américain et malgache de Celsio Machado et d'Etienne Ramboatiana.




Fahatsiarovana
Zava-mahatsikaikin'ny 13 Mey 1972
Endri-javatra nanamarika ny 13 mey 1972 ilay fiteny hoe « oh la la! ». Ny Maître Razafinjatovo Willy no nipoiràn'izany.
Ankoatra ny fahatsiarovana ireo tolona nataon'ny mpianatra sy ny vahoaka tamin'ny 13 mey 1972, dia misy ihany koa ny fahatsiarovana hafa, indrindra fa tamin'ireo mpitarika ny fihetsiketsehana. Iray amin'ireny ny Maître Razafinjatovo Willy na « Oh la la » ary dia mitantara izany izy.
« Teo ny nihomehezan'ny mpianatra ahy tamin'ilay izaho
nihoraka mafy hoe Oh la la! »
Nihaona tamin'ny minisitry ny Fampianarana, Laurent Botokeky, indray koa ny mpianatra teny amin'ny kianjan'Alarobia. Nahateny hoe « Oh la la ! » ary ny minisitra. Ka nihoraka sady nihomehy ny mpianatra niteny taminy hoe « zavatra hafa tenenina fa aza manao oh la la ianao. Efa manana ny oh la la-nay izahay ». Lasa fomba fiteny nentina nanakofana ny kabary teo amin'ny 13 mey mantsy ilay « oh la la ».
« Raha nogadraina indray izahay tany Analalava, nahatsiaro reraka mafy aho ka lasa nangataka baiboly tamin'ilay mompera vazaha tao amin'ny fonja. Dia nihomehezan'ny mpianatra indray aho no sady norabirabiany hoe hanao thèse-na teolojia angamba i Oh la la.»
Tao Nosy Lava indray kosa efa niditra amin'ny ririnina ny andro ka nangatsiaka. Tsy nanana afa-tsy izay fitafiana teny an-koditra ry zareo. « Teo amoron-dranomasina izahay tamin'ny andro alina, nohadiako ny fasika dia nisitrika tao aho. Raikitra indray ny fihomehezana ary lasa ihany koa ireo namako nangady fasika ».





Zava-kanto
Hiangaly ny bà gasy indray Tselonina
Hanao cabaret indray, hiangaly ny bà gasy i Tselonina na i « Tse ». Ny zoma ho avy izao eny amin'ny hotely Les hautes terres eny Mandrosoa Ivato, PK 12, no hanomezany
fotoana ireo mpankafy azy. « Hovelomintsika amin'io, hiara-horedonina ireo hira tranainy nampalaza an'i
Tse toy ny Ravaomaria, Tsara petrapetraka, Izany no malaza, ...», hoy izy raha nihaona tamin'ny mpanao gazety.
Amin'izay maha bà gasy azy izay dia ny gitara « maina », ny aponga, ny korintsana ary ny valiha no hiady amin'io, hiangaliana ireo hira kanto ankafizin'ny maro ireo.
Tsy handeha irery i Tselonina amin'io fotoana io fa ho avy hiaraka aminy ao ihany ny tarika Sora-po, tarika iray izay anisan'ny mpankafy ary mpiangaly an'ity bà gasy ity ihany koa. Tonga amin'ilay fitenenana hoe samy vazo mitovy ka hiaradia.
Hanomboka amin'ny 9 ora alina ny fotoana. Ary ny hanome fahafaham-po ireo mpankafy no tanjona, raha ny fanazavan'i Tse.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
NOSY BE - Rongony vovony 500 grama tratra. Tratran'ny tafika an-dranomasina niaraka tamin'ny sambo haingam-pandeha tao anaty sambolay kely, niantsona tao Ambavatoby amin'ny faritr'i Nosy Be, ny 10 mey teo ny zava-maha-domelina milanja 500 grama. Vovony izy ity, raha ny fanazavana azo, satria izay no hita teo amin'ny fonony nasiana azy. Lehilahy teratany vahiny iray no tratra niandry an'ity sambolay ity.
MERIMANDROSO - Mpivady lehibe notafihin'ny jiolahy. Teo am-pandriana no nararaotin'ny jiolahy novonoina ireto mpivady lehibe 91 sy 72 taona, notafihiny teny Merimandroso Ivato, afak'omaly alina. Nihoson-drà, araka izany, ny fandriana natorian'izy ireo. Ilay rangahy moa namoy ny ainy fa ilay renim-pianakaviana kosa naratra mafy. Vola eo amin'ny 500 000 Ariary eo no voaroba tamin'izany.
BEHORIRIKA - Tovolahy nisintona poketra. Manararaotra mihitsy ny mpangarom-paosy rehefa hariva sy amin'ny toerana feno olona. Teo Behoririka, omaly, tovolahy iray no tonga dia nisintona poketran'olona teo am-piandrasana fiara mpitatitra.
Nangonin'i




Ankadifotsy Befelatanana
Raikitra ny lalao baolina kitra ara-pokontany
Mihetsika amin'ny fampivelarana ireo tanora ao amin'ny fokontanin' Ankadifotsy Befelatànana. Izany no foto-kevitra nanompanan'izy ireo ny lalao baolina kitra izay nanasany ny fokontany manodidina.
Hafana ny kianjan'i Maitsoririna eny Ankadi-fotsy amin'ny alahady tolakandro ho avy izao. Hotanterahina ao an-toerana amin'io andro io mantsy ny lalao « tournoi » baolina kitra izay karakarain'ny fokontanin'Ankadifotsy Befelatànana.
Fokontany 16 eto an-drenivohitra, raha ny fanazavan'ny filohan'ny fokontany ao an-toerana, Rakotomalala Rija, izay nikarakara ny hetsika, no indray nasaina handray anjara hifaninana amin'izany. « Roa volana teo no efa nanomanana an'ity tournoi lalao baolina kitra ity. Ary efa samy niomana, nanangana ny ekipany hifanandrina amin'izany ny fokontany tsirairay », hoy izy.
65 % ny tanora
Nosoritany fa ny tanjona amin'izao lalao izao dia ny mba hitaizana ireo tanora any anivon'ny fokontany rehetra any, mba tsy hidonanam-poana na hivarilavo amin'ny fidorohana zava-mahadomelina. Ary niombon-kevitra tamin'izany ny isam-pokontany tsirairay avy.
« Raha ho an'ny fokontanin' Ankadifotsy Befelatànana manokana, dia maro an'isa ny tanora satria mahatratra hatrany amin'ny 65 % any. Izany indrindra no antony nanaovana izao hetsika izao. Misy ihany koa ny famoronan'asa ho azy ireo amin'ny alalan'ireo fanamboarana ireo lalan-kely isan-karazany ato anatin'ny fokontany », hoy ity tompon'andraikitry ny fokontany ity.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ZANDARIMARIAM-PIRENENA - Nivory ny tompon' andraikitra ambony.
Ny firotsahan'ny zandary eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana, ny fampandraisana anjara mavitrika azy, ny fametrahana fandriampahalemana azo antoka, ny famerenana ny fitokosain'ny vahoaka, ireo raha bangoina ny ventin'ny fivoriam-ben'ireo tompon'andraikitry ny zandarimariam-pirenena teny amin'ny foibem-pibaikoana
ny zandary teny amin'ny Toby Ratsimandrava, afak'omaly.
AMBATOLAMPY - Olona nahavita sazy nanakorontana. Tapitra nopotehin'ireto telolahy avy nisotrosotro tao amin'ny trano fivarotana iray tao
an-tampon-tananan'Ambatolampy, ny alahady
teo, ny entan'olona teo amin'ny manodidina azy,
ny vera , ny latabatra hatramin'ny firatary ny fiaran'olona nijanona teny amoron-dalana. Ny iray tamin'izy ireo, raha ny fanazavan'ny mpitandro ny filaminana, dia olona
avy nisazy teny amin'ny fonja ary nivoaka. Efa natolotra ny Fampanoavana tao Ambatolampy izy telolahy.
Nangonin'i




Fanabeazana
Afaka mamelon-tena ny sembana ara-tsaina
Mahavita asa tanana ny sembana ara-tsaina, raha ny zavatra hita teny amin'ny akany CAIT La source eny Ambohimanarina. Afaka mamelon-tena araka izany izy ireo.
Tsy misy zavatra tsy hay tokoa rehefa ilofosana ! Tsy mampino fa mahavita ny asa tanana vitan'ny matanjaka ny sembana ara-tsaina. Vavolombelon'izany ireo mpianatra sembana beazina ao amin'ny akany CAIT (Centre d'aide intégré par le travail) La Source eny Anosivavaka Ambohimanarina, izay mahavita asa tanana maro samihafa toy ny haingon-trano vita amin'ny «plâtre», ny fandrafetana voninkazo, zaitra, eny fa hatramin'ny fandrahoana sakafo toy ny fanaovana mofo mamy ankoatra ny sakafo andavan'andro.
Iray amin'ireny i Lala, tovovavy 18 taona. Efa ho efa-taona izao no nianaran'i Lala tato amin'ity akany ity, ary efa nampianarina azy avokoa ireo taozavatra sy asa tanana voatanisa tery aloha ireo. «Mahay manjaitra sy mahandro sakafo aho. Mahay manao mofomamy ihany koa», hoy izy tamin'ny feo mazava.
Miresaka tsara ary mahavaly ny fanontaniana apetraka aminy i Lala. Raha ny fanazavan'ny filohan'ny fikambanana mitantana ny akany, Raoliarisoa Laza Berthine, dia izay fomba ahafahan'ny mpianatra miresaka na mifandray amin'ny manodidina azy no tsy maintsy ezahina voalohany ampianarina ireo ankizy sembana ara-tsaina ireo. Ary ampianarina ny abidy sy ny asa tanana izy. Ity farany ity no tena zava-dehibe satria io no ahafahany mioitra amin'ny fiainany.
«Ny tanjon'ny akany mantsy dia ny mba hahatonga ireo sembana ara-tsaina hiatrika ny fiainany, mba tsy ho vesatry ny fiarahamonina», hoy ny mpitantana ny akany. Ho an'i Lala dia nambarany fa ny hanao masera no ataony rehefa lehibe izy. Any Antsirabe no nambarany fa mipetraka ny ray aman-dreniny. Saingy tsy mbola hitany maso. Teratany vahiny iray, monina any Angletera, no nosoritany fa mikarakara azy, manome fitafiana, miantoka ny saram-pianarany ...
10 mianadahy no mpanabe ireo mpianatra ao amin'ity akany La Source ity ary mpianatra 31 no iandraiketany, manomboka eo amin'ny enin-taona ka hatramin'ny 27 taona. Mpianatra maro moa no efa nivoaka tao izay efa manana asa avokoa.





Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena
Zaza 40 natao didim-poitra faobe
Nosantarina omaly teny Ampahibe, tao amin'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, ny didim-poitra faobe 2008, izay fanaon'ny foloalindahy amin'ny alalan'ny sampana fahasalamana ao aminy. Zaza 40 eo, avy amin'ny fokontany manodidina ny toby miaramila ao an-toerana, no indray natao izany ka ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Manorohanta Cécile, no nitarika ny hetsika.
Nosoritany tamin'izany fa tafiditra indrindra ao anatin'ny andraikitry ny minisitera izao zavatra izao, satria ankoatra ny fiarovana ny tanindrazana, ny mponina sy ny ainy, ny fiarovana amin'ny loza voajanahary, dia miasa amin'ny fiarovana ny mponina amin'ny aretina samihafa hahatomombana ny fahasalamany ihany koa ny foloalindahy.
«Efa sivy taona izao no nanaovan'ny foloalindahy izao hetsika izao mba ho fanampiana ireo sahirana. Misy zavatra telo loha anefa no hampitaina amin'izany dia ny fanentanana ny vahoaka mba hanatona toeram-pitsaboana rehefa hanao didim-poitra, ny fiadiana amin'ny aretina SIDA ary ny fihazonana ny kolontsaina malagasy ao anatin'ny korana sy ny fifaliana», hoy izy. Nisy, araka izany, ny fizarana kilalao sy vatomamy ho an'ireo zaza.




La Réunion
Trois Mauriciens déportés
Les trois Mauriciens en villégiature à la Réunion ne pensaient pas que le film de leur exil se terminerait comme un nanar bâclé. Ces trois candidats à l'immigration sont inculpés de braquage devant un tribunal à Maurice. Ils avaient gagné clandestinement La Réunion dimanche, à bord d'une embarcation volée. Ils ont été incarcérés jeudi,et seront déportés vers Maurice le 21 mai. Cette dernière étape, Thierry, Ravindra et son frère Vanesh l'apprécieront sans doute à sa juste mesure.
© JIR




Show bizz
Le Hit parade de la semaine
Le titre phare du deuxième album de Melky cartonne toujours. C'est la quatrième semaine qu'elle se trouve en tête et rien ne semble indiquer qu'elle y sera délogée.
1. Melky : «Efa tia»
2. Mika et Davis Franklin : «Mahavangivangy»
3. Willah : «Avelao izy handeha»
4. Melky : «Bouger bouger»
5. Poon : «Aok'izay»
6. Tsiliva : «Levez la main»
7. Sandra : «Tsy ho nofy»
8. Ndondolah sy Tahiry : «Confiansy»
9. Din Rotsaka : «Atero mody»
10. Michael Sam : « Iza»
11. Tsakarao : «Crocodile»
12. Manou : «Laisse-moi chanter»





Ankadifotsy Befelatanana
Lavaka be mampidi-doza
Mampitaraina ireo tompona fiara ao amin'ny faritra iray ao Ankadifotsy Befelatànana ny fisian'ilay lavaka be ao aminy. Tsy ho ela anefa ny fanamboarana azy io, raha ny fanazavan'ny filohan'ny fokontaniny.
Lavaka be mampidi-doza no hita ao amin'ny faritra iray avy aty amin'ny ilany andrefana ao amin'ny fokontanin'Ankadifotsy Befelatànana. Raha ho an'ny mpamily fiara vahiny, tsy mahalala lalana ka hiditra ao amin'io faritra io, dia loza no miandry azy raha miraparapa izy. Nambaran'ireo mponina eo an-toerana fa efa am-bolana maro izy io no potika. Potika noho ny fidiran'ireo fiara vaventy ao an-tanàna. Ary dia io izy mbola lavaka be mandrak'androany io. Zara raha misy handehanan'ireo fiara madinika. « Maro anefa ny mponina ao amin'ity faritra ity no manana fiara ka mampiasa an'io lalana io », hoy ity raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana.
Tsy ho ela ny fanamboarana
Namaly izany ny filohan'ny fokontany ao an-toerana, Rakotomalala Rija, ka notsipihany fa efa eo an-dalam-pikarakarana azy io, manangona ny fitaovan-drehetra, ny fokontany amin'izao fotoana izao. Tsy ho ela, araka izany, ny fanamboarana azy.
« Anisan'ny lohalaharana amin'ny asan'ny fokontanin'Ankadifotsy Befelatànana raha ny fanamboaran-dalana. Misy ny iarahany miasa amin'ny fivondronana. Misy ihany koa anefa ny zakain'ny fokontany tanteraka, ampian'ny fanohanan'ireo mpandraharaha sy malala-tànana ao amin'ny fokontany », hoy izy.
Nosoritany fa vola any amin'ny 100 000 ka hatramin'ny 200 000 ariary any isam-bolana no lanin'ny fokontany amin'ny fanamboaran-dalana. Nisy aza ny tena namboarina tanteraka vao avy nandaniana hatrany amin'ny dimy
tapitrisa ariary.
Lalan-kely efatra amin'ireo 22 misy ao amin'ny fokontany izao no nambarany fa efa vita tanteraka, ary ireo tanora ao aminy ihany no karamaina manao izany.Na izany aza anefa dia nanipika izy ny mba hitandreman'ny tsirairay ny zava-bita. « Apetraka mihitsy ny fepetra hanoloan'izay manimba an'ireny fotodrafitr'asa ireny », hoy ihany Rakotomalala Rija.





Tsaralalàna
Adala nidaroka mpandalo
Naratra, vaky ra mihitsy, omaly ity renim-pianakaviana iray nodarohan'ny adala teny Tsaralalàna. Totohondry nandrivorivo be mantsy no avy hatrany dia niantefa teo amin'ny masony, raha nifanena tamin'adala vavy izy. Tataka be, araka izany, iny faritra ambonin'ny masony havia iny. Ary poa toy izay ny fijininikan'ny ra teo aminy. Soa aza fa tsy nahavoa ny voamasony ilay daroka.
Ankona ary toran'ny tomany teo ilay renim-pianakaviana. Tsy nahetsika izy ary mosara taratasy teny an-tanany no nalainy novonjeny nanakanana ny fijininikan'ny ra avy teo amin'ny masony. Handeha hiantsena no anton-diany tamin'io ary ny fokonolona teny an-toerana no namonjy azy, nitady fiara nandehanany tany amin'ny hopitaly.
Raha ny fanazavan'ireo olona mivezivezy eny amin'iny faritr'i Tsaralalàna iny dia efa matetika midaroka olona eny an-toerana ity adala vavy ity. Ary maratra toy izao izay mifanena aminy. « Ireo vehivavy ihany anefa no tena halany sy darohany amin'izany », hoy ity tovovavy mpivarotra eny an-toerana.
Ilay adala moa rehefa avy namely dia lasa nandeha tsy taitra toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny. Ny fokonolona ihany koa tsy nisy sahy nanenjika na nisambotra azy.




Antananarivo
Tsy maharaka ny vavarano hamonoana afo
Tsy maharaka ny isan'ny mponina sy ny foto-drafitr'asa misy eto Antananarivo-renivohitra intsony ny vavarano misy. Izay no fototry ny tsy fahombiazan'ny famonjena voina matetika.
Misedra olana foana mazana ny mpamonjy voina eny Tsaralalàna isaky ny misy haitrano mitranga eto Antananarivo-renivohitra. Ny tsy fisian'ny vavarano hamonoana afo no tena voalohany amin'izany, raha ny fanazavan'ny lehibeny, ny kolonely Andrianaivo Jaona. Ohatra iray tamin'izany ny namonjen'izy ireo ny haitrano farany teo teny Tsaralalàna, izay nahamay ny trano fitehirizan'entan'ny minisiteran'ny Fahalasamana.
« Tonga ara-potoana teny an-toerana izahay, saingy tany akaikin'ny hotely lehibe "Tana Plaza" tany vao nahita vavarano ampiasaina. Mbola kely ihany koa anefa ny fitosahan'ny rano tamin'io vavarano io, hany ka tsy maintsy mbola nametahana fitaovana hafa indray nandefasana azy mafy. Fotoana lany ary sarobidy amin'ny famonjena afo avokoa anefa ny fikarohana sy ny fikarakarana izany », hoy ihany ity lehiben'ny mpamonjy voina ity.
Potehin'ny olona
Nosoritany ihany koa fa na dia misy aza izy ireny, toy ny teny amin'ny 67 ha namonjena ilay trano fisakafoanana « Fabio », dia potehin'ny olona, ka tsy hita ho ampiasaina intsony. Dia tsy maintsy mandeha amin'ny fitaterana rano amin'ny fiarabe ny mpamonjy voina.
Ny lefitry ny ben'ny tanàna, Rasamimanana Olga, moa dia nanipika fa tsy mahararaka ny isan'ny mponina sy ny fivoaran'ny tanàna eto an-drenivohitra intsony ny vavarano misy amin'izao fotoana izao.
« Vavarano ho an'ny mponina 10 000 no mbola misy amin'izao fotoana izao. Ny ankamaroan'izy ireo aza efa tsy azo ampiasaina intsony », hoy izy. Izany hoe tsy mifanaraka amin'ny zava-misy intsony.
Nosoritany fa hametraka ho vaindohan-draharaha ny fijerena manokana ireny fivoahana amin'ny loza, toy ny varavarana, ny tohatra ..., sy ny fametrahana vavarano ho an'ireo izay mangataka ny hanangana ireny foto-drafitr'asa ireny, ny kaominina amin'izao fotoana izao.





Trano fivoahana
Misy manimba ny fitaovana
Raha tsy vaky ilay fitaovana fipetrahana rehefa mivoaka dia potika ny fisintonan-drano ao an-damosiny. Izany hoe tady sy vy kely sisa no entina hampandehanana ny rano. Toy izany koa ny hidim-baravarana. Efa tsy misy hita intsony ny hidin-trano moderna tany am-piandohana. Karetsaka "gasy" sisa no mipetaka hanidiana ny trano. Misy aza moa ny varavarana efa tsy ahitana izany intsony koa. Izany no zava-misy hita amin'ireo trano kely fivoahana eo Soarano sy eny Antanimbarinandriana amin'izao fotoana izao.
Tsy misy ampahafirin'ny taona nijoroan'ny trano fivoahana eo amin'ny "Esplanade Analakely" akory anefa ny nisian'izy ireo, ary tsapan'ny rehetra fa manala fahasahiranana betsaka tokoa ho an'ny tratry ny fahaporetana tampoka eny an-dalana. Nosoritan'ireo mpiasa amin'ireo trano fivoahana ireo fa ny olona miditra ao aminy no manimba azy ireny. Tsy araka mihitsy anefa ny fanaraha-maso azy. Efa manadio ny trano ny mpiasa manao izany vao tsikaritra avokoa ireny rehetra ireny, ary dia tsy hita izay hohenjehina aminy.
Mba ho fisorohana izany tarehin-javatra rehetra izany no nahatonga ny orinasa « Fungarda », izay nahazo ny tolo-barotra amin'ny fikarakarana ny trano fivoahana vaovao etsy Analakely, anakarama manokana mpiambina sivily hanara-maso ny fitaovana sy ny fanajana azy. "Mpiambina sivily efatra no indray ampiasainay amin'io asa io. Tsy manara-maso fotsiny ihany no asany fa mampianatra ny olona ihany koa", hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ity orinasa ity, Rafidimanana Mirana.
Hivoha 24 ora ny trano fivoahana. Saingy amin'izao voalohany izao, noho ny tsy mbola fisian'ny jiro, ao aminy dia mbola ny tontolo andro ihany aloha izy no misokatra. Toy ireo trano fivoahana efa nijoro teo aloha dia andoavam-bola ihany koa ny fampiasana ny eo Analakely.





Faritra Atsinanana
Nomena fiofanana ny zandary
Ankoatra ny tafika an-dranomasina, dia mirotsaka an-tsehatra miaro sy manara-maso ny morontsiraka ihany koa ankehitriny ny eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Ho fiatrehan'izy ireo izany asany izany indrindra no fototry ny fiofanana nomena ireo zandary avy ao amin'ny faritra atsinanana, izay notontosaina ny alatsinain'ny Pentekosta teo.
Efa manana fitaovana natokana hiasana amin'izany mantsy izy ireo, toy ny sambokely haingam-pandeha, ka dia nifototra tamin'ny fanamoriana sy ny fampiasana azy indrindra, izany fiofanana izany.
Ny kolonely Romy Calaraseau, lehiben'ny tetik'asa amin'ny asa an-dranomasina eo anivon'ny zandarimariam-pirenena, no niandraikitra izany fampiofanana izany, niaraka tamin'ny APMF na ny « Autorité portuaire maritime et fluviale ». Nosoritan'ity tompon'andraikitra ity tamin'izany fa ny hanatsarana ny fahaiza-manaon'ny zandary mba ho matihanina eo amin'ny andraikitra sahaniny, no tanjona amin'izao fomezana fiofanana ny zandary izao.
Tamin'iny lakan-dranon'i Pangalana iny no notanterahina izany ka nohararaotina ihany koa ny fanentanana ireo mponina manamorona iny renirano iny, amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsapa ho mihasimba mantsy ny ala amin'iny faritra iny noho ny fitrandrahana tsy am-piheverana ataon'ny mponina, ka dia ho hentitra amin'ny fiarovana izany ny eo anivon'ny zandarimaria, amin'ny alalan'ny fisavana ny morontsiraka sy ny lakandrano rehetra sy ny fivezivezena.




Zandarimariam-piirenena
Nivory ireo tompon'andraikitra teto Analamanga
Ny fifandraisan'ny zandarimaria sy ny vahoaka, ny fitondran-tenan'ny zandary eo amin'ny sehatry ny asa, ny fangaraharana eo amin'ny fitantanana ny lafiny mahaolona, ny fampahatsiahivana ireo toromariky ny komandin'ny zandarimariam-pirenena sy ny komandin'ny vondron-tobin'Antananarivo. Ireo no nifantohan'ny fivorian'ireo tompon'andraikitra isan-tokony eo anivon'ny zandarimaria avy ao anatin'ny vondron-tobim-pileovana Analamanga, ny alakamisy teo, teny amin'ny « Cercle mess »-ny zandarimaria teny Ankadilalana.
Ny lietnà kolonely Rakotonandrasana Frederic, komandy vaovaon'ny vondron-tobim-pileovana Analamanga, no nitarika ny fotoana tamin'izany. Anisany nodinihina tamin'ireo lohahevitra ireo ihany koa ny fametrahana paik'ady vaovao andrindrana ny asa amin'ny fametrahana fandriampahalemana toy ny voarakitra ao anatin'ny « MAP sécurité ». Ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ary ny ady amin'ny kolikoly no tanjona, satria tsy misy ary tsy mivaona amin'ny fiarovana ny olona sy ny fananany ny voasoratra ao.




Ankaraobato
Mpianatra an-jatony ampianarina maimaim-poana
Noraisin'ny kaominin'Ankaraobato an-tanana ny fanomezana fahalalana maimaim-poana an'ireo mpianatra hanala fanadinana ao aminy. Mpianatra eo amin'ny 400 eo izy no indray miatrika izany, ka 200 hanala fanadinana BEPC ary 200 hanala bakalorea. Avy amin'ireo sekoly miisa 19 ao anatin'ny kaominina, na sekoly tsy miankina na sekolim-panjakana, izy ireo.
Mpampianatra 18 mianadahy avy ao an-toerana ihany koa no misahana ny fampianarana, izay iantohan'ny kaominina ny fandoavana ny karamany.
Nanomboka ny asabotsy teo ny fampianarana ka tsy hifarana raha tsy tapa-bolana mialoha ny fanadinana atrehin'ireo mpianatra ary isaky ny alarobia sy asabotsy tolakandro no anarahan'izy ireo izany. « Ny hampihenana ny tahan'ny tsy fahafahan'ny mpianatra fanadinana ato amin'ny kaominina misy anay no tanjona amin'izao fampianarana izao. Nihena hatrany amin'ny 20 % any mantsy izany tamin'iny taon-dasa iny, ary izay no sorohina sy ezahina hatsaraina », hoy ny ben'ny tanàna Ralaiseheno Guy Hasinjaka.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsaralalàna - Tamin'ny efatra ora maraina no maty ny afo.
Saika mandra-maraina, ny zoma teo, no namonoan'ny mpamonjy voina ny afo tao amin'ny trano fitehirizan'entan'ny minisiteran'ny Fahasalamana tao Tsaralalàna. Efa ny asabotsy tamin'ny efatra ora maraina tany mantsy vao tena maty tanteraka ny afo. Ny fisian'ireo kidoro an-jatony marobe niavosa tao an-toerana no voalaza fa tena nampitarazoka ny famonoana ny afo.
Raharaha jeneraly Randrianafidisoa - Notapahin'ny jiro ny fitsarana.
Nitohy hatramin'ny 12 alina, ny zoma teo, ny fitsarana ny jeneraly Randrianafidisoa sy ny namany, tao amin'ny Lapan'ny fitsarana eny Anosy. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapaka ny jiro. Teo amin'ny fandaharana nataon'ny mpiaro ny jeneraly Randrianafidisoa indrindra no nisy izay fahatapahana izay ary dia nofaranan'ny mpitsara ny fotoana, na dia niverina vetivety ihany aza ilay jiro tapaka. Mbola hitohy anio, araka izany, ny fitsarana ny raharaha.
Nangonin'i




Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa Hasyma
Mpiasa 180 no mety horoahina
Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ity orinasa mpamokatra hasy ity. Ao Toliara efa ho iray volana ny solontenan'ny mpiasa manerana ny nosy no midinika sy mitady marimaritra iraisana amin'ny tompon'andraikitry ny orinasa.
Tsy azo ihodivirana intsony ny tsy maintsy hisian'ny fandroahana faobe ao amin'ny orinasa Hasyma. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny filankevipitantanan'ny orinasa Hasyma dia miroso amin'ny dingana fampihenana ny isan'ny mpiasa izy. Niantso ny solontenan'ny mpiasa manerana ny nosy (Mahajanga, Port-bergé, Ambilobe, Antananarivo, Toliara) ny mpitantana ny orinasa ka efa tamin'ny 17 aprily lasa teo no efa ao Toliara izy ireo.
Ny zoma 25 aprily anefa vao vonona hanolotra ny antontan- taratasy rehetra mikasika ny anton'ny fandroahana sy ny lisitra vonjy maika ny mpiasa ho roahina tamin'ny solontenan'ny mpiasa manerana ny nosy ireo mpitantana ny orinasa.
Tamin'io fivoriana nifanatrehan'ny roa tonta io no nakàna ny hevitrin'ireo solontenan'ny mpiasa mikasika ny fepetra noraisiny ka nilazàn'ny tale jeneraly Simon Benoit fa dia fandroahana noho ny antony ara-toekarena no fanampahan-kevitra noraisin'ny filankevi-pitantanan'ny orinasa. Noho ny olana ara-toe-bola izay sedrain' ny orinasa izany ka navoitrany fa mpiasa 180 aminy 350 no tsy maintsy horoahina ary dia natolony ny lisitr'ireo mpiasa voakasika isaky ny sokajin'asa.
Tombontsoan'ny mpiasa
Naseho tamin'izany fivoriana izany koa ny drafitra izay novolavolainy hanarenana ny orinasa. Raha izay ny voalazan'ny mpampiasa dia tsy maintsy mamaly ary manome ny heviny amin'ny mpampiasa ao anatin'ny roapolo andro ao aorian'ny fivoriana ireo solontenan'ny mpiasa, araka ny tondroin'ny lalàna.
Manomboka tamin'ny zoma 25 aprily ny 20 andro voalazan'ny lalàna ao amin'ny andininy 2 (Fehezan-dalàna mifehy ny asa, and. 25), ka nifarana tamin'ny alarobia 14 mey lasa teo. Ny alakamisy lasa teo ary no tokony hiverina hifampidinika amin'ny latabatra boribory ny roa tonta. «Ny lalàna moa mamela ny mpampiasa haka izao fepetra izao noho ny olana voalazany, saingy tsy hanaiky lembenana fotsiny izahay, fa tsy maintsy hiady ny hampihenana ny isan'ny mpiasa horoahina ary hitaky ny tombon-tsoa rehetra mifanandrify amin' izany fandroahana izany», hoy Jacky Rahajaherisoa, solontenan'ny mpiasa avy amin'ny Hasyma Antananarivo.
«Ny mahagaga dia ny fanaovan'ireo mpampiasa tsinontsinona ny fifanekena iraisana (convention collective). Ho anay dia ny fampiharana tsy misy fepetra no takiany», hoy kosa i Jacky Razafison, solontenan'ny mpiasa avy ao Mahajanga. Raha ny fizotry ny toe-draharaha, dia ahiana ny mety hihenjanan'ny tady eo amin'ny roa tonta. Mbola ao an-toerana hatramin'izao ireo solontenan'ny mpiasa manerana ny nosy manara-maso fatratra ny mety hivoaran'izao rahaharaha izao.





Ivandry
Sempotry ny loko ny trondro
Tsy afa-niaina tao anaty rano fa saika nitsambikina tety ivelany avokoa, ny faran'ny herinandro teo, ireo trondro tao amin'ny farihy kelin'Andrianalefy ao Ivandry. Nisy nanary loko mantsy tao anatin'ity rano ity ka nanempotra azy ireo. Izay no nahatonga azy hitady rivotra iainana tety ambony rano.
Anisany farihy madio anefa raha ity farihy kelin'Andrianalefy ity. Misy mpanjono foana eo isan'andro ary ireo mpanjono indrindra no variana nahita ny fihetsiky ny trondro. Tsy nisy nahasahy nanjono mihitsy aza teo akaikin'ilay faritr'ilay nisy loko fa nikisaka lavitra daholo izy ireo vao sahy nandatsaka ny haranjonony.




Raharaha jeneraly Fidy
Henjana ny fisavana ireo mpanatrika
Nanomboka ny zoma teo ka hatramin'ny omaly, fotoana mbola nitohizan'ny fitsarana ny raharahan'ny jeneraly Randrianafidisoa sy Pety Rakotoniaina, tao amin'ny Fitsarana heloka bevava, dia nafotaka ny fisavana ireo mpanatrika rehetra. Ny finday indrindra indrindra, noho izy ireny azo hakana sary dia tsy maintsy vonoina eo imason'ireo mpiandry fonja manao ny asa fisavana.




Zavakanto
Mialy, zazalahikely miangaly mozika
Na maro aza ireo karazan-kilalao entin'ny fanatontoloana dia ny fitendrena piano ihany no nahasarika an'i Mialy Raparison, zazalahikely folo taona. Mianatra izany izy ary niseho sehatra voalohany teny Tsiadana.
Anisan'ireo mpianatra mozika naneho ny sangan'asany tamin'ny fitendrena zava-maneno teny amin'ny Espace Dera teny Tsiadana, ny asabotsy teo, Raparison Mialy Tahiana Andrisoa, zazalahikely folo taona. Ny fitendrena piano no nianarany ka nandraisany anjara tamina fampisehoana. Hira karazany roa, « Sonate N° 1 » an'i Mozart, ho an'ny feon-kira vahiny, ary « Sangisangy ve ? » an'i Rolland Raoelison, ho an'ny hira malagasy, no niangaliany. Samy manana ny gadon-kira mampiavaka azy avokoa ireo hira roa ireo satria ny iray classique, ny faharoa bà-kira kalon'ny fahiny. Nefa dia azo lazaina fa voafehin'i Mialy tsara avokoa.
« Tiako ny mozika ary saika nirona tamin'io aho na dia misy ihany aza ny fialamboliko hafa toy ny jeux amin'ny solosaina », hoy i Mialy. Notsindriany fa ny kilalaony fony kely novidian'ny ray aman-dreniny ho azy, izay saika karazan-javamaneno avokoa ny ankamaroany, no nitarika azy tsikelikely tany amin'ny fankafizana mozika nony injay lehibebe izy.
Ny piano no tena manavanana azy
Teo ihany koa ny fanarahana ny rainy rehefa manao fety satria mpikambana ao amina tarika mpanao zavakanto iray eto an-drenivohitra koa izy. Vao enin-taona i Mialy dia efa niana-java-maneno. Nianatra flûte sy piano tamin'ireo toeram-pampianarana samihafa. Saingy ny piano no hita fa tena nanavanana azy. Ary dia io no noezahina nanampiana azy. « Ny coup de piano an'i Richard Clayderman sy ireo hira kalon'ny fahiny reko amin'ny radio ihany koa no vao mainka nanosika ahy tamin'ny fitendrena piano », hoy izy.
Efa mahay manaraka notes (tain-dalitra) amin'ny fitendren-kira i Mialy, na dia tsy mbola mahafehy tsara izany aza, raha ny fanazavany. « Mbola mila fianarana bebe kokoa aho, satria ny tanjoko dia ny ho mpitendry zava-maneno kalaza », hoy ihany izy.
Voalohany nisehoan'i Mialy an-tsehatra teo amin'ny fitendrena zava-maneno ny teny amin'ny Espace Dera tamin'ny asabotsy iny.





Ambatolampy
Afaka ireo zaza tsy ampy taona
Nomen'ny Fitsarana ady heloka tsotra tao Ambatolampy fahafahana avokoa ireo zaza tsy ampy taona avy any Antsiranana. Ny alatsinainy alina tany amin'ny 12 ora tany no nivoaka ny didim-pitsarana momba azy ireo. 22 izy ireo no nobeazina teny amin'ny akany fanitsiana ireo zaza mania teny Anjanamasina, ary dia izao afaka izao daholo.
Nomen'ny fitsarana fahafahana ihany koa ny dimy tamin'ireo zatovo nofonjaina teny Antanimora. 37 mianadahy izy, satria nisy vehivavy iray, no indray niakatra fitsarana tany Ambatolampy afak'omaly. 22 tsy ampy taona, ary 15 zatovo. Tamin'ireto zatovo ireto, ankoatra ireo dimy nohafahana dia ny folo tamin'izy ireo no voaheloka. Voaheloka higadra an-tranomaizina enim-bolana ka hatramin'ny herintaona, satria samy manana ny saziny avy izy ireo. Afaka mody avy hatrany izany ny 27 tamin'ireo ankizy sy zatovo avy any Antsiranana ireo.
Omaly ihany ireo ankizy dia efa tonga teto an-drenivohitra. Tsy andrin'ireo ray aman-dreny sy ny fianakavian'ireto zaza ireto mihitsy, satria nisy mihitsy ny tonga niakatra teto an-drenivohitra nanatrika ny fitsarana sy haka ny zanany.
Nosoritan'izy ireo fa nianto-tena izy tamin'ny fahatongavana taty Antananarivo. Ny fanjakana moa dia nilaza fa hiantoka ny fampodiana ireo zaza ireo any Antsiranana, raha ny soratra amin'ny peta-drindrina hita ao amin'ny fonjan'Anjanamasina.




Behoririka Ankaditapaka
Mitosaka eran'ny làlana ny rano maloto
Tsy azo leferina intsony ny fitosahan'ny rano maloto eo amin'ny tohatohabaton'i Behoririka Ankaditapaka. Ny fahavakisan'ny lakan-drano no fototr'izany, vokatry ny fahanterany sy ny fanorenana tsy ara-dalàna.
Ny rano maloton'ny olona rehetra avy any Ankadifotsy no indray mitosaka eo amin'ny lalan-kely ao Behoririka Ankaditapaka. Vaky mantsy ny lakan-drano any ambanin'ny tany ary mitady làlana ivoahana ny rano maloto. Ny angano aza dia vaky hatramin'ny lakan-drano mivoaka avy any an-tranon'olona any mihitsy.
«Efa taona maro izao no niainanay sy ny mpandalo, nanavatsava ny rano maloto nivoaka avy tamin'ny lakan-drano vaky. Saingy raha voatsentsina ny lavaka iray, satria manamboatra hatrany ny fokontany, dia tsy misy firy andro akory dia misy lakan-drano hafa vaky indray», hoy ny mponina eo amin'ny manodidina. Ary dia ranobe, araka izany, no mamonto ny tohatohabato sy diavin'ny tongotra.
Fahanteran'ny lakan-drano
Nanamafy ny voalazan'ny fokonolona ny lehiben'ny fokontany, Ramaroson Jules Harison, ka nosoritany fa efa imbetsaka, tamin'ny andro mbola nahaben'ny tanàna an'i Guy Razanamasy io lakan-drano eo amin'ny fokontaniny io no efa nanaovan'izy ireo tatitra tany amin'ny fivondronana, ary dia toy izany hatrany isak'izay miova mpitondra.
Saingy hatramin'izao dia mbola io ihany izy io, tsy misy fanamboarana. «Tsy ela fa vao tamin'ny 15 mey teo indray izahay no nandefa ny tatitra ho an'ny ben'ny tanàna vaovao», hoy izy.
Ilay lakan-drano mihitsy mantsy, raha ny nanipihany azy, no efa tena tsy azo ampiasaina intsony noho ny fahapotehany sy ny fahatsentsenany ka mila fanamboarana tanteraka izay tsy vitan'ny asa moramora.
Ary izay no tsy hahazakan'ny fokontany azy, na dia miezaka manamboatra aza izy. Io lalan-kely io rahateo voalaza fa andraikitry ny kaominina ny fanamboarana azy.
«Ankoatra ny fahanteran'ny lakan-drano dia olana iray goavana manamora sy manafaingana ny fahapotehany koa ny fisian'ny trano tsy ara-dalàna manamorona ny lalan-kely. Miainga eo amin'ireo fanorenana tsy ara-dalàna izay mantsy io lakan-drano», hoy ihany ity tompon'andraikitry ny fokontany ity. Izany hoe 100 metatra miala ny arabe avy aty Behoririka raha be indrindra.





Itaosy
Olona roa kilan'ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina indray, omaly alina, tokony ho tamin'ny 12 ora, teny Amboatavo Itaosy. Olona roa indray koa mantsy, lehilahy iray antsoina hoe Rakotoharivony (43 taona) sy vehivavy iray, no indray kila forehitra tao ary levon'ny afo tanteraka. Tao ambany rihana avokoa no nahitàna ny fatin'izy ireo.
Ilay raim-pianakaviana 15 minitra taorian'ny nahafatesan'ny afo no hita. Ilay vehivavy kosa ny polisy efa nanao ny
fitsirihana tao amin'ilay trano no nahita azy.
Ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna no tonga tany an-toerana namonjy ny voina, rehefa naharay ny antso avy tamin'ny mpamonjy voinan'ny Fiftama Atsimondrano.
Toy ireo loza niseho teo aloha dia nosoritan'ireo mpamonjy voina ihany koa fa nanahirana dia nanahirana ny nanavotan'izy ireo an'ity loza niseho teny Itaosy ity. Ny lalana lavitra, nefa tsy nisy vavarano nahafahana namonjena ny voina teo an-toerana.
«Taty amin'ny toerana fivarotan-tsolika taty Andohatapenaka indray koa izahay vao nahita rano ary dia nivezivezy nantsaka teo ny fiaraben'ny mpamonjy voina», hoy izy ireo. Nambaran'izy ireo anefa fa efa nijoalajoala nivoaka ny varavaran-kely sy ny tafon-trano ny afo tao amin'ity trano ity.
Ny trano rahateo, koa nifefy tamboho no sady nisy fefy vy aro amin'ny mpangalatra.
Trano lehibe misy rihana iray, ahitana efitra valo, efatra ambony ary efatra ambany no indray kila forehitra tanteraka tamin'izany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
FIFAMOIVOIZANA - Tapaka ny làlana eny Antaninarenina. Tapaka, tsy azo andehanan'ny fiara manomboka ny alarobia 21 mey hatramin'ny zoma 23 mey, ny làlana eny amin'ny faritra Antaninarenina sy Ambohitsirohitra. Miainga eo amin'ny làlana Ratsimilaho, eo amin'ny paositra izany ka mipaka hatrany amin'ny làlana Wast Ravelomoria Ambohidahy.
ANKARAOBATO - Tafatsangana ny Cyber ifaneraseran'ny olona. Tsy gisitra amin'ny fivoaran'ny teknolojia, na dia any ambanivohitra aza ny mponina ao amin'ny kaominin' Ankaraobato. Efa amperin'asa andro vitsy mantsy izay ny Cyber ao an-toerana. Ao amin'ny complexe socio-éducatif ao Antsahasoa izay fananan'ny kaominina no misy azy.
AMBOHIDRATRIMO - Voahodina ny volan'ny sekoly. Vola hatramin'ny 9 tapitrisa ariary, saika hanorenana efitrano fianarana, no indray nanjavona tsy hita, tao amin'ny lycée Ambohidratrimo. Ny asa tsy vita no nahatonga ny FRAM (Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra) nangataka tamin'ny fanjakana hanao ny fanadihadiana ary dia voaporofo tamin'izany ny fahabangana.
Nangonin'i




Tsena
Tsy voafehy ireo mpivarotra
Voasakan'ny polisy kaominaly ihany ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely sy Behoririka amin'ny andro maraina. Tsy voatohitr'izy ireo anefa ny fidinany eny, rehefa tolaka ny masoandro.
Tsy voasakan'ireo mpiasan'ny Fivondronana mihitsy, ny polisy kaominaly izany, ireo mpivarotra amoron-dalana. Mody mifitsapitsaka izay izy ireo ny maraina fa ny tolakandro, manomboka eo amin'ny telo ora eo, dia indreny toy ny miara-mirohotra mameno ny sisin-dalana sy ny arabe. Ary dia azy ny tsena.
Fotoana fiantsenan'ny mpividy rahateo ihany koa moa izao ka dia samy mifanaretsaka eo daholo, mitady izay mahasoa azy. « Ety izahay no mba afa-manao tsenaben'ny reny », hoy ity tovovavy iray mivarotra akanjo mafana, teo Behoririka. Nanampy azy ihany koa ity raim-pianakaviana mivarotra ireny kojakoja samihafa ho an'ny vehivavy ireny (lokomena, ranomanitra...), ka nilaza fa mba mitady famelomam-bady aman-janaka ihany koa izy.
Miara-mirona ry... zalahy !
Dia tsena be tsy misy toy izany na eny Analakely, amin'iny lalana Andrianampoinimerina iny, na eny Behoririka. Hatramin'ireo mpivarotra manana ny tsenany manokana ao amin'ny Pochard sy eny Ambodin'Isotry aza, tonga midina eny amin'ny arabe eny daholo. Toy ny indray mirohotra izay ny famelaran'izy ireo entana rehefa tonga ny « lera ». Ary dia poa toy izay, feno azy ny lalana. Misy tonga maraina miaraka amin'ny entam-beny amin'ny gony ary mipetrapetraka eny amin'ny sisin-dalana eny rizareo. Miandry fotoana fotsiny sisa.
Tsy miala eny an-toerana anefa ireo polisy kaominaly sy ny kamiao mangaben'izy ireo fa manara-maso manao ny asany hatrany. Saingy rehefa dify kely izy ireo dia eo ireo mpivarotra no manararaotra, mirotsaka mamelatr'entana. Ny teny Behoririka moa dia tsy afa-nanohitra fa nanakisaka fotsiny ireo mpivarotra niditra teny amin'ny arabe no nataon'ireo polisy kaominaly.
« Tsy avela hivarotra mihitsy izy ireo raha ny tena marina. Saingy mandeha tsikelikely ny fanesorana azy. Tsy avela hidina eny amin'ny arabe. Ary dia leferina aloha ny eny amin'ny sisin-dalana », hoy ireo polisy kaominaly.
Mahita an'izay ireo mpivarotra, etsy andaniny, dia izy ireo indray no lasa mifampiteny. « Midira aty amin'ny sisin-dalana, akisaho ny entana fa zara aza avelany mivarotra ! », hoy ny teny ifanomezany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanodinkodinam-bolam-Panjakana - Polisy vavy notanana am-ponja. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity polisy vavy iray voarohirohy tamina raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana mitentina 116 tapitrisa ariary izay avy tao amin'ny tahirim-bolam-panjakana teny Antaninarenina.
Ankatso - Zandary nisy namono. Tsy nialana nenina firy akory ity zandary iray novonoin'ny sasany teny Ankatso, omaly maraina. Potika ny tarehiny, ary vao tonga kelikely tao amin'ny hopitalin'i Soavinandriana izy dia namoy ny ainy. Ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna no nitondra azy.
Isotry - Tovovavy nifampitolona teny an-dalambe. Saika tsy voasaraky ny fokonolona, afak'omaly tolakandro, ireto tovovavy roa nifampitolona teny an-dalambe, teny Isotry. Tsy fantatra mazava izay fototra nampiady azy ireo fa samy naratra.
Nangonin'i




Androhibe
Hanamarika ny Fetin'ny reny ny sembana
Fanehoana asa tànana amin'ny alalan'ny fanamboarana « cake » no entin'ireo tanora, ao amin'ny « Orchidées blanches », manamarika ny Fetin'ny reny amin'ity taona ity.
Tsy hadinon'ireo sembana ara-tsaina mianatra eny amin'ny akany « Orchidées blanches » eny Androhibe, ny manamarika ny Fetin'ny reny
isan-taona. Amin'ity taona ity dia ny famarotana « cake » no entin'izy ireo mankalaza izany.
Ny fikambanan'ireo tanora mihitsy no miandraikitra ny fikarakarana izany, izay vokatry ny fampiharana ny fianarana nomena azy.
Amidin'ireto mpianatra ireto amin'ny ray aman-dreniny ihany ny zava-bitany avy eo. Entina hampandehanana ny asa manokana ataon'izy ireo ny vola azo avy amin'izany, toy ny fanatanterahana ny fampianarana mivoaka ny toeram-pianarana, ny fitetezana orinasa samihafa, ny fanamarihana fety isan-karazany, ny fiatrehana ny karazam-pampianarana atao ao amin'ny akany
Ankoatra ireo akany isan-karazany manabe ny ankizy sembana ara-tsaina mijoro eto an-drenivohitra, dia manana tombon-dahiny manokana ny « Orchidées blanches » satria ampianarana an'ireo mpianatra avokoa ny karazana nahandro rehetra izay malaza amin'izao fotoana izao, toy ny « pizza », ny « biscuits » ...
Mianatra sy manao asa tànana samihafa ihany koa anefa izy ireo, izay ahafahany mamelon-tena rehefa mivoaka avy ao amin'ny akany. Amin'izay dia tsy ho enta-mavesatra ho an'ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany intsony izy ireo. Maro, araka izany, no efa manana fototr'asa mazava tsara amin'izao fotoana izao.





Lozam-pifamoivoizana
Mpandeha fito no naratra tao Mahazo
Mpandeha fito no indray naratran'ny lozam-pifamoivoizana teny Mahazo, omaly antoandro, tokony ho tamin'ny 11 ora tany. Vaky loha, tapa-tànana, tapa-tongotra satria nisy mihitsy ny nipitika tafavoaka teny amin'ny arabe ...
Tao anatin'ny zotra E, mampitohy an'Ambohimangakely sy Behoririka, hiakatra an-drenivohitra, avokoa izy ireo no nifatraran'ity kamiao lehibe iray avy tany Mahazo tany, nidina tamin'iny arabe teo amin'ny Advantsista.
Tsy fantatra mazava izay tena fototra nisehoan'ny loza, satria na ny mpanampy ny mpamilin'ilay zotra E aza tsy nahita ny fandehan-javatra. Variana nitaky vola sy namerim-bolan'ireo mpandeha izy, raha ny fanazavany, ka ny fiara nidona no nanaitra azy. Ny mpamiliny moa tapa-tongotra sy tapa-tànana satria teo aminy no tena nifatraran'ilay kamiao.
Ny mpamilin'ity fiara be indray, lasa nitsoaka tsy hita teo an-toerana, taorian'ny nisehoan'ny loza.
Hatramin'izao dia tsy fantatra izay nanjo an'ilay kamiao ka nahatonga azy ifatratra tany amin'ilay fiara nifanena taminy.




Ankazobe
Mpanao gazety namoy ny ainy
Misaona indray ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ankazobe mantsy ny mpanao gazetin'ny RNM (Radio nasionaly malagasy) Clarisse Razanajafy. Ny taona 1998 izy no niditra tao amin'ny RNM.
Nivadika tao an-toerana, tamin'iny lala-midina miolikolika be hihazo ny tanànan'Ankazobe iny mantsy ny fiara nitondra azy. Ka i Clarisse Razanajafy no namoy ny ainy tamin'izany.
Avy namita iraka tany Mahajanga izy, ary hitodi-doha hiverina ho aty an-drenivohitra izao tra-doza izao. Namela vady sy zanaka roavavy kely i Clarisse Razanajafy.
Rehefa hitan'ilay mpamily fa hafahafa ny fandehan'ny fiara nentiny, dia nitsambikina teny ambony fiara izy, raha ny fanazavan'ireo mpandeha anisany niharan-doza niaraka tamin'i Clarisse. Dia navelany teo ny mpandeha nentin'ny fiara nisosososo.





Fiangonana sy Fanjakana : fiaraha-miasa hoe ?
Tsetsatsetsa tsy aritra teo anatrehan'ny hafatry ny mpitondra Fiangonana sy ny valin-kafatry ny mpitondra Fanjakana.
Mijery sy mamakafaka ny fahasahiranana eo amin'ny andavanandrom-piainan'ny vahoaka Malagasy ny mpitondra Fiangonana ao amin'ny FFKM ka natosiky ny andraikiny hiteny. Ireny niaraha-nandre ireny ny fanambarana nataony. Teo ihany koa ny teny nataon'i Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Razanakolona, manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy fifampidinihina mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra. Antso fanairana ny tompon'andraikitra eto amin'ny firenena avokoa ireo; antso mikendry ny soa sy ny tsara ho an'ity firenena ity.
Dia namaly ny mpitondra Fanjakana. Niaraha-nandre koa ny valin-kafatra. Fohy, mivantambantana, manindrona, maneho fihetsika tsy vonona tena hiara-miasa. Raha fehezina dia fiarovan-tena sy fanilihina andraikitra. Fomban'ny mpitondra sy mpanao politika Malagasy hatrizay io. Ny dokadoka sy fanasohasoana ihany no raisiny, fa ny tsikera ailiny. Marary teny ve ny Malagasy?
Anisan'ny hery iray lehibe nahatonga ireo mpitondra ankehitriny teo amin'ny toerany ny FFKM. Mety ve sa tsia ny nataony tamin'izany? Avela ho an'ny tsirairay ny mitsara. Ny azo ambara dia nandray ny andraikiny hatrany ny Fiangonana teo anatrehan'ny zava-nitranga nanahirana teto amin'ny firenena. Nihaino sy niresaka tamin'ireo ankolafin-kery samihafa, nanelanelana sy nampihavana ireo mpifanandrina. Fantatra ny fisiany rehefa misy mahaporitra, saingy tsipahana sy ivaivaina rehefa manohintohina tombotsoa manokana.
Rakotosolofo C. Nirina
66 Oxford St,
Cambridge, MA, 02138
USA




Asa tanana
Potiky ny fanondranana vy ny mpanefy
Tsy vitan'ny lafo fa sady sarotra tadiavina ny vy ilain'ireo mpanao asa-tanana amin'ny tefy vy hatramin'izay nisian'ny fanondranana vy any ivelany izay.
«Hatramin'izay nisian'ity fanondranana vy any ivelany ity dia mizaka ny tsy eran'ny aina mihitsy izahay mpanefy vy madinika. » I Nenitoa Beby, mpanao fatapera eny Manarintsoa Isotry, no nanambara izany tamin'ny tafa fohy nifanaovana taminy.
Nosoritany mantsy fa tsy vitan'ny tsy misy firy intsony ny vy ilainy amin'ny fanaovana fatapera, vilany saba, sahafa, fa sady vidian-dafo, avo roa heny mihitsy, raha mahita.
Mpanao asa-tanana « an'elakelan-trano »
Raha novidiana 400 na 500 ariary ny vy tamin'izany, natao tomba-maso, teo aloha dia vidiana any amin'ny 800 ka hatramin'ny 1 000 ariary izy amin'izao fotoana izao. « Tsy tomba-maso intsony fa sady vidiana amin'ny kilao indray koa ilay izy ankehitriny. Ary tsy mahita izany raha tsy eny Ambalavao, eny amin'ireo brocanteurs », hoy izy. Ireny fatim-by (déchet) avy amin'ny fanitso na barika ireny anefa no ampisain'izy ireo amin'izany. Ireny no diovina sy karakaraina tsara satria tsy maintsy jerena ihany koa ny kalitao.
Ankoatra izay fahasarotan'ny fividianana vy izay dia mbola
notsindrian'i Nenitoa Beby ihany koa ny fahasahiranany eo amin'ny fiadiana amin'ireo mpanao asa-tanana « an'elakelan-trano », tsy mandoa patanty. « Mandoa patanty ara-dalàna aho. 400 000 ariary isan-taona eo, raha atambatra, ny volam-panjakana aloako. Ny mampalahelo anefa dia betsaka no tsy mandoa izany ireo mpanao asatanana toa ahy, hany ka potika ny asa fivelomanay », hoy izy. « Tsy mampaninona azy ireo ny mivarotra fatapera 900 na 1 000 ariary ny iray. Izahay mitsinjo kalitao no sady mandoa patanty tsy hahatafavoaka an'izany », hoy ihany izy. Ary dia niangavy ny fanjakana izy mba hijery akaiky an'ireo mpanao asa-tanana madinika eny ambany tanàna ireny, mba hahafahan'izy ireo mivelatra tsara.
Telo taona teo izao i Nenitoa Beby no nirotsaka tamin'ity fanaovana asa tanana ity. Io no amelomany ny ankohonany izay tsy vitany irery fa iarahany amin'ny mpanampy azy. Sahafa, fatapera, vilany saba, ireo no ataony amin'izany.





Analavory
Mahavelona ny fambolena
Mahavelona ny asa fambolena. Tenin'i Faly Manantsoa Andriamanana, monina any Analavory, izany. Nosoritany mantsy fa tsy nieritreritra izany fambolena izany mihitsy ny tenany hatramin'izay fa nipetraka taty an-drenivohitra foana ary nanohy ny fianarana taratasy. « Efa nahavita efa-taona teny amin'ny Anjerimanontolo, tao amin'ny lalam-piofanana Lalàna aho, no niova fenitra nankany amin'ny fambolena », hoy izy.
« Tsy nahay izay bi sy ba tamin'izay fambolena akory aho tamin'izany fa efa nirotsaka tao anatiny vao nahay. Nianatra tsikelikely teny an-tsaha tamin'ireo tantsaha manodidina ahy », hoy ihany izy nanamafy. Tantsaha maromaro mantsy no nosoritany fa indray mifarimbona aminy.
Ny fieritreretana ireo tanimboliny amina hekitara maro, izay lasa lavavolo fotsiny nony injay tsy teo intsony ireo ray aman-dreniny, no nambarany fa nampiova hevitra azy hanao ny asa fambolena. « Mbola tovolahy aho tamin'izany, ary izaho irery no afa-nanao izany satria ireo iray tam-po amiko efa samy nanana ny fototr'asany daholo. Dia nohajariako ny tany », hoy izy.
Ataon'i Faly avokoa ireo karazam-pambolena mampahalaza ny faritr'Itasy iny : ny voly vary sy ny voamaina. Vokatra aman-taonina isan-taona, araka izany, no azony amin'izao fotoana izao. Ny mpanangom-bokatra no tonga eny an-toerana mividy ny vokatra azony.
Efa manambady aman-janaka i Faly ankehitriny. Nosoritany tsara fa ny fambolena no ifotorany hamelomany azy ireo. Tsy misaraka amin'ny fambolena moa ny fiompiana, ary dia manao izany koa izy, na dia karazany vadin'asa ihany aza. Mahavonjy amin'ny fahaporetana ihany koa izy ireny, raha ny fanazavany.





Fitaterana
Rombo tao anaty zotra faha-180
Hasosorana ny an'ireo mpandeha tamin'ny zotra fitateram-bahoaka faha-180 iray, mampitohy an'Alarobia amin'Ambohijatovo, ny alarobia maraina teo, tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany.
Ny fihetsiky ny mpanampy ny mpamily, niampy ny avonavom-bavany tamin'ny mpandeha no nahatonga izany toe-javatra izany.
Resaka vola vaventy teny am-pelatanan'ireo mpandeha no naharomotra azy ka nahatonga azy nanao izany fihetsika izany. Nilaza izy fa tsy nanana vola madinika hamerenana. Dia nanaovany feo avo avokoa no sady noketoketohany izay nanolotra vola ho azy. Nahorony daholo ihany anefa ny volan'olona tamin'io. Nahazo izany ihany koa izay nitaky famerim-bola taminy. Ary teo no nahatezitra ireo mpandeha iray fiara ka nahatonga azy ireo nifandrombaka taminy. Soa fa olona efa lehibebe daholo ireo tao anaty fiara, fa raha izany no sendra an'ireny tovolahy mora tohina ireny dia voakasi-tanana teo ity mpanampy ny mpamily tsy nahay niaina ity.
Isaky ny misy fijanonan'ny fiara anefa, miantso sy mandray olona hatrany izy. Tsy miteny amin'ireo mpandeha tsy manam-bola madinika mba hiomanany anefa izy, toy ny ataon'ireo mpanampy ny mpamily rehetra. Fa dia mampiditra hatrany ka ao anaty fiara vao manao valin-teny mahasorena ny mpandeha.
Rehefa avy nifandrombahan'ny olona anefa izy, teo Antanimena, nahita madinika tampoka hamerenam-bola ihany ! Dieny mbola kely ny ankizy dia ampianarina fahalalampomba, fa asa loatra ny an'ity tovolahy iray ity.




Fandriampahalemana
Entitra ny fiambenana ny lalam-pirenena
Nohenjanin'ny zandarimaria indray, manoloana ireo asan-jiolahy nisesisesy tamin'ireo mpandeha tato ho ato, ny
fiambenana sy ny fanarahamaso ny fivezivezena amin'ireny lalam-pirenena ireny. Ankoatra ny fametrahana ireny sakana efa fanaon'izy ireo ireny mantsy dia hisy ihany koa ny fivezivezena ataony amin'ny alalan'ny fitaovana eo am-pelatanany, toy ny fiara sy ny moto.
Miainga eto amin'ny faritra Analamanga izany ary miam-
pita amin'ireo faritra samihafa izay andalovan'ireny lalam-
pirenena ireny.
Tsapa ho nifindra amin'ireny lalam-pirenena ireny indray mantsy ny asa ratsy ataon'ireo jiolahy amin'izao fotoana izao. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina amin'ny fandrobana ny entan'ireo mpandeha izy ireo amin'izany.




Fifamoivoizana
Nahafaty olona ny lalam-pirenena I
Nahafaty olona indray ny lalam-pirenena voalohany, afak'omaly antoandro. Raim-pianakaviana, 55 taona, nitaingina bisikileta no maty noporetin'ny kamiao lehibe tamin'izany. Nikasa hisongona an'ity mpitaingim-bisikileta ity ny mpamilin'io kamiao io no nifanehatra tampoka tamina fiara kely nifanena taminy. Niala an'ilay fiara kely izy, araka izany, ary dia tany amin'ilay raim-pianakaviana nitaingina bisikileta no nifatratra. Teo Antodiana, tsy lavitry ny tobin-dasantsy teo Fenoarivo, no nisehoan'ny loza.
Ny zandarimaria avy eny Fenoarivo no nisahana ny famotorana ny amin'izay naha-tonga ny loza. Nosoritan'ireo tompon'andraikitry ny zandarimaria fa na iza na iza, rehefa hita fa manao hadisoana, dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna. Araka ireny efa nantritranterina ireny dia tsy misy havahana amin'izany. Kanefa tsy maintsy mandeha aloha ny fanadihadiana rehetra.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
IVATO SERANANA - Tsy ho ela ny fanamboarana ny lycée. Amin'ity volana jiona ho avy ity no heverina hatomboka ny fanamboarana ny lycée ao Ivato Seranana, araka ny ben'ny tanànany, Rasoamiaramanana Goddefrin. Sekoly manara- penitra ahitana efitrano 12 no haorina amin'izany. Efa vita ny planina enti-manangana azy. Ao anatin'ny efa-bolana no hanantanterahana azy io satria hezahina ho vitaina ao anatin'ny fialan-tsasatry ny mpianatra.
FARIHIN'ANOSY - Tratra ny mpanjonon' Anosy. Teny Tanjombato, no tratry ny polisy ity lehilahy iray avy nanjono tao amin'ny farihin'Anosy. Trondro 15 kilao no teny aminy, ary efa nisy vehivavy iray niantso azy teny amin'ny fiantsonan'ny fiara teny Tanjombato. Mbola nandositra ihany izy raha nanontanian'ny polisy. Saingy tratra ihany rehefa nohenjahina.
ANKORONDRANO - Lehilahy nadaraboky ny rano mahery. Tsy zakan'ity lehilahy lehibe ity intsony ny tenany, omaly, fa vokin'ny « rano mahery » izy. Teny amin'ny sisin-dalan' Ankorondrano izy no nidaraboka nianjera. Nanandrana niarina sy niteny izy fa tsy afaka.
Nangonin'i




Développement
Maurice et Réunion main dans la main
C'est indéniable, la Réunion dame le pion à beaucoup sur la problématique développement durable. On cite : ses panneaux photovoltaïques disséminés un peu partout, ses éoliennes, sa volonté d'une future autonomie énergétique. Réunion 2030 en fait rêver plus d'un. Une avancée certaine, fierté du président de Région Paul Vergès. Qui a soumis lors d'une visite à l'île soeur, il y a peu, « pourquoi pas Maurice 2030 ? ». Un point commun entre ces deux terres : leur insularité.
D.F.B
© JIR




Fifamoivoizana
Ampiakarina ny lamandy
Any amin'ny lamandy no hamatratra ny fanjakana amin'ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Tsy ho latsaky ny 100 000 ariary ny lamandy farany ambany ampiharina amin'ilay lalàna vaovao.
Hofaritana hatrany amin'ny 100 000 ariary any ny lamandy farany ambany (raha 1 000 ariary izy amin'izao fotoana izao) ampiharina amin'ireo mpamily fiara tsy manara-dalàna amin'io lalàna vaovao hifehy ny fifamoivoizana io. Ny tale jeneralin'ny minisiteran'ny Fitaterana, ny kolonely Andriamampiadana Faly, no nanambara izany omaly. Nosoritany fa tsy misy afa-tsy io no vahaolana entina hanafaizana ireo mpamily fiara tsy manara-dalàna izay mampitombo andro aman'alina ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalambe.
Efa tamin'ny taona 1962 tany mantsy izay lalàna mifehy ny fifamoivoizana misy ankehitriny izay, hany ka toa tsy raharahian'ny mpamily fiara sasany. Ary dia zary lasa manao izay danin'ny kibony izy ireny eo amin'ny izay ataony sy izay andraikitra tokony ho tanany.
Tetezamita
« Alohan'ny faran'ity taona 2008 ity no tsy maintsy hivoahan'izay fanitsiana ny lalànan'ny fifamoivoizana izay. Efa voarafitra ilay izy ary alefa tsy ho ela anivon'ny filan-kevitry ny governemanta », hoy izy. Ary raha vantany vao tafavoaka eo dia ampiharina tsy misy hatak'andro.
Mandra-piandry izany anefa, dia nosoritany fa efa mihatra ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny alakamisy teo. Efa mijoro, araka izany, ny komity manara-maso ny fampiharana iny fepetra iny. Io komity io no handinika ny fampiakarana tsikelikely ny tahan'ny lamandy aloan'ireo mpamily fiara mandika lalàna, mandra-pivoakan'ny tena lalàna hifehy ny fifamoivoizana. « Karazan'ny tetezamita iandrasana ny lalàna vaovao ihany anefa ny lamandy ampiharin'izy ireo, ary ao anatin'ny telo volana ihany no heverina fa hampiharana izany », hoy ihany izy. Notsindriany fa na iza na iza dia voakasik'ity fampiharana ny lalàn'ny fifamoivoizana vaovao ity avokoa. Eny fa na ireo mpitandro ny filaminana tsy manao ny asany ara-dalàna aza, ka mamela handeha fotsiny ireo fiara sy mpamily tsy manara-dalàna.
« Tokony handeha ho azy ny fanakanana ireny fiara na moto na bisikileta tsy manara-dalàna ireny ho an'ny mpitandro ny filaminana. Ary izay no tanjona mba hitandreman'ny rehetra », hoy izy nanantitra.





Behoririka
Tsy raikitra ny fanakatonana ny toeram-pivarotan-tsolika
Tsy raikitra, omaly maraina, ny fanakatonana ny toeram-pivarotana-tsolika Shell tetsy Behoririka, na dia efa nivonona tamin'izany aza, araka ny antontan-taratasy teny am-pelatanany, ny tompon'andraikitra teo anivon'ny OMH na ny Office malgache des hydrocarbures. Nanda tsy nanaiky izany mantsy, raha ny fanazavan'ny vadintany Rasoanaivo Sylvain, nisolo tena ny mpitantana ny toeram-pivarotana, ny mpitantana an'ity toeram-pivarotan-tsolika ity.
Ho an'ny OMH, araka ny fanazavan'ireo tompon'andraikitra
tonga teny an-toerana, dia tsy misy afa-tsy ny antony ara-pandriampahalemana no nahatonga ny OMH nandray an'io fanapahan-kevitra hanakatonana ny toeram-pivarotan-tsolika io.
Tsy voahaja intsony mantsy eo amin'ity toerana ity ny fitandremana tokony hatao hisorohana ny loza, noho ny fahamaroan'ireo mpivarotra eo amin'ny manodidina azy. Eo ihany koa ny fivezivezen'ny olona eo an-toerana, izay mifoka sigara sy mandefa finday. Ireny rehetra ireny anefa dia loza miantona ho an'ity toeram-pivarotana solika ity.
Ity toerana ity koa moa, araka ny vadin-tany Rasoanaivo Sylvain, dia efa am-bolana maro, nanomboka tany amin'ny volana jolay 2007 tany, no efa tsy nivarotra solika intsony. Tsy misy afa-tsy ny botika sy ny fanadiovana ny fiara ary ny varotra menaka fiara sisa no tao aminy.
Ireo mpiasa ao amin'ity fivarotan-tsolika ity moa, raha nanontaniana ny momba ny fitohizan'ny asany, dia nilaza fa tsy mbola mahalala na inona na inona amin'izao tarehin-javatra izao. « Mbola miasa daholo izahay rehetra amin'izao fotoana izao », hoy izy ireo. Ho hita eo ihany ny tohin'ny raharaha.




Toetr'andro
Manjaka ny « anti-cyclone » eto Madagasikara
Tsy nisy tsy ninainaina amin'ny hatsiaka mamirifiry ny rehetra amin'izao fotoana izao. Tsy mbola tena tafiditra tsara ao amin'ny aty ririnina mantsy isika izao fa vao manomboka. Nefa dia efa mamirifiry sahady ny hatsiaka. Izany hoe tonga any amin'ny 10°C ka hatramin'ny 12°C ny hafanana farany ambany, ary 19°C ny farany ambony, ho an'ny eto an-drenivohitra manokana.
Nanamarina izany ny teo anivon'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro, raha nantsoina tamin'ny antso an-tariby. Nambaran'ny tompon'andraikitra tao fa lasa aloha tokoa ny ririnina tamin'ity taona ity. Ny fisian'ilay antsoina hoe «anti-cyclone» ao atsimon'i Madagasikara no nambarany fa antony mahatonga an'io andro mangatsiaka be io. Ary izay no iainantsika amin'izao fotoana izao.
Nanomboka tamin'iny herinandro iny, ary mbola haharitra ela, hitohy amin'io herinandro ho avy io, izany toetr'andro magatsiaka be izany.




Ambodivona
Voafitaka ny mpamonjy voina
Haintrano no saika hovonjen'ny mpamonjy voina teny Tsaralalàna tao Ambodivona, tao amin'ny faritry ny Water Front, omaly maraina, nefa dia afon-kodiarana sy fakofako no novonoina ! Voafitaka, araka izany, ny mpamonjy voina. Nambaran'ny tompon'andraikitra ao aminy, ny kolonely Andrianaivo Jaona, fa very amin'ny zavatra tsy tokony hampiasana azy ny soliky ny mpamonjy voina, raha tsy hiresaka afa-tsy izay fotsiny, izay tokony namonjena zava-kafa. Indrindra ihany koa raha miohatra amin'ny fiakaran'ny solika amin'izao fotoana izao.
Notsipihin'ity tompon'andraikitra ity fa maro mihitsy ireo mihantsy, mananihany ny mpamonjy voina amin'ny antso an-tariby ao aminy, izay tsy vitan'ny feon'ankizy fotsiny ihany fa misy feon'olon-dehibe ihany koa. Saingy rehefa hamarinina izy ireny dia eo no ahalalana fa « olona manadala » no ao ambadik'izany.




Fianarantsoa
Feno 85 taona ny sekoly miaramilam-pirenena
Lanonana maro sosona, ny zoma 23 mey teo, no notanterahina tao amin'ny Sekoly miaramilam-pirenena na Semipi, tao Beravina Fianarantsoa. Nanamarihana ny faha-85 taonan'ny sekoly izany. Natomboka tamin'ny fitokanana ny tsangambaton'ny fahatsiarovana izany, ary niampita tamin'ny fitokanana ireo zava-bita samihafa tao aminy, toy ny kianja lehibe fanaovana fanatanjahantena, ny trano fandraisam-bahiny, ny trano fidiovana...
Notontosaina tamin'io fotoana io ihany koa ny fanaovana batemy ireo mpianatra ao amin'ny kilasy faharoa, taona 2007-2008 izay ahitana « enfants de troupe » 51 mirahalahy. Mahatratra 252 ny isan'izy ireo sy ny mpianatra ao amin'ny kilasy fiomanana (classes préparatoires) ankehitriny. Ny taona 1994 moa no nanokafana tao amin'ny Semipi an'ity kilasy fanomanana ity ho an'ireo «enfants de troupe» afaka bakalorea ka manomana ny fidirany ao amin'ny akademia miaramila, na ny sekoly miaramila ambony eto an-toerana na any ivelany.
Ny 25 mey 1923 moa no niorina ny Semipi. Teto an-drenivohitra, tao Betongolo no nisy azy tamin'izany fotoana izany ka « École des enfants de troupe » no niantsoana azy. Nifindrafindra toerana sy niovaova anarana izy taorian'izay, ka ny taona 1962 vao nisalotra ny anarana hoe Semipi. Ary ny taona 1964 no nifindrany tao Beravina Fianarantsoa. Ny capitaine Ramanantsoa Gabriel no miaramila malagasy voalohany nitantana azy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMBOHIDRATRIMO - Mpiambina voatsatok'antsy. Rakotra dian'antsy ny lohan'ilay mpiambina tanànan'olona iray avy ao Andohajozoro, fokontanin'Ambohitsimeloka ao amin'ny kaominin'Anosiala. Tao Ambohidratrimo no nahitana ny razana izay efa nihoson-drà noho ny zava-nahazo azy.
MANJAKANDRIANA - Mpandeha dimy naratra.
Naratra avokoa ireo mpandeha dimy tao anatin'ilay fiara 4L voadonan'ny kamiao lehibe iray teo Ambohibary Manjakandriana. Tao anaty fiolahana ny nisehoan'ny loza. Voalazan'ny zandary izay nanao ny fitsirihana ny raharaha tany an-toerana fa vokatry ny fidiran'ilay 4L afovoany loatra no nahatonga izany.
Nangonin'i




Fifamoivoizana
Tsy tan-dalàna ny mpitandro ny filaminana
Raha misy tsy manaja ny lalàn'ny fifamoivoizana, dia mety ho anisany koa ny mpitandro ny filaminana. Tsy mba voasazy izy ireny.
Omaly, tao anaty zotra fitateram-bahoaka iray eto an-drenivohitra, nisy tovolahy mpandeha iray nizahozaho fa namana na tena mpitandro ny filaminana izy. Ary dia nahavita niteny tamin'ilay mpanampy ny mpamily, sady nataony mafy ho ren'ireo mpandeha tao anaty fiara, fa tsy matahotra polisy izy. «Polisy ve ? Tsy matahotra an'ireny isika. Ampisehoantsika karatra izy dia mangina. Namantsika ireny !», hoy izy.
Teo amin'ny «petite vitesse» teo ity tovolahy ity, niaraka tamin'ny namany iray, no nandray an'ity fiara mpitatitra ity. Teo mihitsy izy roalahy ireo no nijanona niandry ny fandalovan'ny fiara.
Dia novohan'ilay mpanampy tsimoramora ny fiara no sady niteny tamin'izy roalahy izy mba hiakatra haingana. «Malaky sao hitan'ny polisy», hoy izy. Ary dia izay valin-teny voalaza tery ambony izay no navalin'ilay tovolahy iray.
Tsy fantatra na inona ity ranamana ity na inona satria nanao akanjo sivily izy. Saingy nahalasa saina ny rehetra ihany ny teniny. Raha izany mantsy no jerena dia ny mpitandro ny filaminana koa izany (raha ao anatiny izy) no anisan'ny tsy tan-dalàna amin'ny fifamoivoizana. Manakana fiara amin'izay toerana tsy ara-dalàna ary rehefa tratra dia mandamin-dresaka amin'ny maha mpiara-miasa sy ny fampisehoana karatra !





Andohatapenaka
Napitiky ny kamiao ny saron-davaka
Raha misy fiara misoso-soso, za-dalana, dia ho angano no hitany amin'ny lalan'Andohatapenaka, miala avy eo amin'ny Vatobe hivoaka ho any amin'ny «digue» : lavaka boribory be sisa no hita eo amin'ny vava-tatatra eo ampovoan'arabe. Tsy hita eo amin'ny toerany intsony ny sarony.
Raha ny fanazavan'ireo olona mpanao fatapera tsy lavitra eo, dia tsy nisy nangalatra akory ilay sarona tatatra fa vaky napitiky ny kamiao nandalo. « Nisaraka roa mihitsy ilay izy ary nandratra mpandeha tamin'iny toerana iny », hoy ity raim-pianakaviana iray.
Nosoritany fa nalain'izy ireo ilay sarona tatatra ka nampirimin'izy ireo ary hatolony ny kaominina rehefa misy mandalo izy. Tamin'iny herinandro ambony iny no nitrangan'ity tarehin-javatra ity.




Jirama
Raikitra ny fitokonam-ben'ny mpiasa
Mihenjan-droa ny tady eo amin'ireo mpiasan'ny orinasa Jirama, ireo «agents technico-commerciaux» na ATC, sy ny mpitantana ny orinasa. Tsy misy hatramin'izao ny marimaritra iraisan'ny roa tonta nandravonana ny olana, ka nanapa-kevitra ny hanohy ny fitokonany ireo mpiasa voakasiky ny raharaha. Tsy ho izy ireo fotsiny ihany anefa no hitokona fa hanatevin-daharana koa, raha ny fanazavan-dRandriamanana Rabarinirina, filohan'ny delegen'ny mpiasan'ny Jirama, ireo mpiasa hafa ao amin'ny Jirama.
«Fitokonam-be mihitsy no hatao ka tsy hisy na dia iray aza birao mivoha», hoy izy tamin'ny mpanao gazety, omaly hariva teny amin'ny biraon'ity orinasa ity teny Antanimena. Nosoritany kosa anefa fa tsy hijaly amin'izany ny mpanjifa satria tsy hisy na dia iray segondra aza fahatapahan-jiro na rano.
Marihina fa ny mpiasan'ny orinasa Jirama eto an-drenivohitra ihany no voakasik'ity raharaha ity. Misy eo amin'ny 3 000 izy ireo. Eny amin'ny foiben-toerany eny Soanierana ireo delegen'ny mpiasa rehetra eto Antananarivo no hifamotoana amin'ireo mpiara-miasa aminy.
Ny eo anivon'ny mpitantana ny orinasa moa raha ny fanazavan'ny tale jeneraliny, Bernhard Romahn, dia nambarany fa tsy hisy fepetra ho raisina aloha hatreto. Fa miandry ny kaomisiona mpanelanelana avy any amin'ny minisiteran'ny Fitsarana izy ireo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMPASAPITO - Hisokatra ny fiantsonan'ny fiara.
Ny zotra fitaterana mampitohy an'Antananarivo sy Moramanga no hisantatra ny fisokafan'ny fiantsoanan'
ny fiara mpitatitra eny Ampasam-pito. Hosokafana anio tokoa mantsy ity toerana ity. Saingy tsy ireo zotra rehetra miantsinanana no voakasik' izany fa mbola ity zotra iray ity ihany, noho ny fanda-minana nataon'ny kaominin' Antananarivo.
FENOARIVO - Nahazo fahafahana ilay mpamily. Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo ilay mpamily fiarana orinasa iray, nahafaty olona teny Fenoarivo ny asabotsy tolakandro teo. Nomen'ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika izy. Tsiahivina fa mpitaingina bisikileta iray no namoy ny ainy tamin'ity kamiao ity raha saika hihoarany.
VOLA SANDOKA - Nohafahana ireo telolahy. Vola sandoka amin'ny 10 000 Ariary mitentina 170 000 Ariary no sarona teny amina lehilahy iray teny Fenoarivo ny zoma lasa teo. Saika hividianany toaka tao amin'ny toeram-pivarotana zava-pisotro iray teny an-toerana izy io no hitan'ilay mpivarotra tao.
FINOANA - Feno 25 taona ny «Feo dimy». Hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety eny amin'ny trano malalaky ny foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely rahampitso maraina ny tarika Feo Dimy. 25 taona no nijoroan'izy ireo teo amin'ny fikaloana ny hiram-pivava-hana.
Nangonin'i




Ankasina
Potika tanteraka ny làlana
Latsaka ambany ireny làlana any ambanivohitra ireny ny eny amin'ny faritr'Ampasika, 67ha avaratra andrefana, iny. Sady feno lavaka no misy rano miandrona.
Toy ireny lalan-tsarety any ambanivohitra ireny amin'izao fotoana izao ny làlana etsy Ankasina, amin'iny faran'ny 67 ha avaratra andrefana iny, mivoaka an'Andohatapenaka. Lavaka sy rano miandrona no mameno azy. Araka ny mponina eny an-toerana dia efa am-bolana maro mihitsy izy io no potika. Ary vao mainka nanampy trotraka ny fahapotehany ny fahavaratra teo. « Niandrona teo ny ranonorana satria tsy nisy làlana ivoahany. Dia iny no namotaka sy nandavaka satria ny fiara mandalo ihany », hoy R. Bernard, monina eny amin'ny manodidina an'iny faritra iny.
Azo lazaina ho lala-maty mihitsy aza, raha ny nanipihany azy iny lalan'Ankasina iny. Satria na ny fitateram-bahoaka aza, toy ny zotra 126 izay mpandalo sy manana fiantsonana eny an-toerana, dia efa tsy mankany intsony.
Miandrandra fikarakarana
Nandao tanteraka ny lala-mahazatra azy. Tsy misy afa-tsy io ihany anefa no mba hany fitateram-bahoaka nandalo tamin'iny faritra iny, ka nanala fahasahiranana ho an'ny mponina eny an-toerana. « Izao izahay manenjika any amin'ny parking eny amin'ny 67 ha afovoany atsinanana, na eny amin'ny Vatobe raha mba handray fiara mpitatitra », hoy Narindra, mpianatra ao amin'ny lycée Ampefiloha.
Fahasahiranana, araka izany, no mahazo ny mponina eny an-toerana. Fa na dia ny fiara karetsaka aza dia tsy misy intsony ny mandalo sy manaiky miditra eny. Potika, araka izany, ny fidiram-bolan'ireo mponina eny an-toerana satria maro ny trano fisakafoana mba manana ny maha izy azy izay efa fantatry ny mpialavoly eto an-drenivohitra. Betsaka ihany koa ireo mpanao asa tànana ao an-tanàna. « Nisy ihany ny fanamboaran-dalana nataon'ny kaominina teto an-drenivohitra fa ny anay tsy mba tafiditra tamin'izany. Dimanjato metatra eo ihany anefa izy io, raha misy », hoy ireo fokonolona nanampy ny fanazavana. Ary dia miandrandra ny fikarakarana izany izy ireo.





Baolina kitra
Ho any Botswana ny Barea
Hiainga anio ho any Botswana, hiatrika ny lalao fifanintsanana amin'ny CAN 2010 izay hitarika ihany koa any amin'ny fiadina ny ho tompon-daka eran-tany (Mondial) amin'ny 2010, ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea. Ny ekipam-pirenena botsawanais, les Zèbres, no hifanandrina amin'i Barea any an-toerana, ny alahady ho avy izao. Ity lalao ity ihany koa no manokatra ny lalao fifanintsanana ao anatin'ny dingana voalohany eo amin'ireo lalao iraisam-pirenena lehibe ireo. Tsy tara tamin'izany, na dia nisy aza ireny savorovoro teo amin'ny Federasiona malagasy sy ny fitondram-panjakana ireny, ny Barea.
Tafiditra ao anatin'ity ekipan'i Barea ity, hanatevin-daharana ireo namany voatsongo teto an-toerana, i Velontsiory Rakotondramanana, mpilalao avy ao amin'ny Ajesaia. Mpilalao isan'ny manana ny maha izy azy tokoa izy satria anisan'ireo mpilalao tafiditra ao anatin'ny safidin'ny mpanazatra foana hatramin'izay, isaky ny misy fifantenana mpilalao. Saingy voahilika foana rehefa tonga ny ora farany. Tamin'ity indray mitoraka ity vao tena tafiditra tao anatin'ny Barea. Eo amin'ny toeran'ny mpanafika no misy azy.
Hisesisesy manomboka eto ny lalao baolina kitra handraisan'i Barea anjara amin'ity lalaon'ny CAN sy ny tompon-daka eran-tany ity. Aorian'i Botswana, dia hiatrika ny ekipan'i Côte d'Ivoire, Les éléphants, indray izy ireo ny 8 jona.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanabeazana - Nandray masoivoho ny minisitra roa tonta. Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny minisitra, Stangéline Ralambomanana, sy ny minisitra Ying Vah Zafilahy, ny talata teo tao Anosy ny masoivohon'ny Firaisambe eoropeana, Jean Claude Boidin. Nambarany masoivoho ity tamin'izany ny fahavononany hampifandray ny oniversite malagasy amin'ny oniversite eoropeana.
Jirama - Ho tapahina ny karaman'ireo mpiasa hafa mitokona. Nisy niasa ihany, omaly, ireo mpiasan'ny Jirama teto an-drenivohitra na dia nilaza aza ny filohan'ny delege iombonan'izy ireo fa hitokona hanampy an'ireo mpiasa ATC. Ny mpitantana ny orinasa moa dia nilaza fa hotapahina ny karaman'ireo mpiasa mitokona ivelan'ny ATC.
Ampasampito - Midrikina ireo kaoperativa sasany. Mbola nisavoritaka ihany aloha hatreto ny fampiasana ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra eo Ampasampito. Nisy nitsivalana amin'ny fandaminana napetraka hatrany am-piandohana mantsy ny koperativa sasany.
Nangonin'i




Fitaterana
Mijaly ny mpandeha isan-kariva
Olona maro no voatery mandeha an-tongotra na miampita zotra indroa, rehefa hariva ny andro. Tsy manaja ny faran'ny zotra tokony alehany ny fiara mpitatitra.
Anisany mampikolay fatratra ny mpandeha isan-kariva ny fiara fitaterana eto an-drenivohitra. Voalohany amin'izany, raha ny fitarainan'ireo mpandeha marobe, ny amin'iny zotra mampitohy an'Ivato sy Vasakaosy iny. Eo ihany koa ny zotra mampitohy an'Ambatolampy na Ambohijanahary na Morondava amin'Ambodifilao.
« Manomboka amin'ny enina na amin'ny fito ora hariva eo dia efa tsy misy tonga any amin'ny faran'ny fiantsonany intsony ny zotra mankeny Ivato. Na izy mijanona eo Andranomena, raha avy any Ivato, na izy tonga aty an-drenivohitra ihany fa mijanona eo amin'ny 67 ha ary tsy mety miakatra mamonjy an'i Vasakaosy intsony », hoy ireo mpandeha.
Zotra baranahiny
Dia lasa miampita fiara indroa ireto farany. Ny saran-dalana anefa tsy miova fa dia telonjato ihany ny telonjato. Nefa tapa-dalana ihany no ataon'ireo fiara mpitatitra ireo.
Tsy misy hafa amin'izany ihany koa ny fijalian'ireo mpandeha amin'iny zotra mankeny Ambohimanarina sy Ambatolampy iny.
Eo Ambohibao ihany koa ireo fiara mpitatitra ireo matetika dia mijanona. Samy tsy misy tonga any amin'ny farany daholo. Dia eo ny mpandeha no mandeha an-tongotra mamonjy ny fodiany.
« Efa maro ny fitarainana nataonay mpanjifa tany amin'ireo kaoperativa mpitantana ireny zotra ireny, na teny anivon'ny mpitandro ny filaminana ihany koa amin'ny faranaraha-maso ny ataon'ireo fiara mpitatitra ireo. Fa toy ny rano nararaka eny an-damosin'ny gisa izy ireny. Tsy misy valiny ary toa vao mainka aza manao ny ataony ireo », hoy ireo mpandeha.
Nosoritan'ny lehiben'ny kaoperativa iray anefa fa ankoatra ny isan'ny mpandeha entin'ny fiara mpitatitra iray, dia voafaritra mazava ao anatin'ny « cahier des charges » ihany koa ny lalana izoran'ny fiara mpitatitra tsirairay avy. Mahavoasazy, araka izany, ny tsy fanajana ny zava-boasoratra ao anatin'ireny « cahier des charges » ireny.
« Efa tafiditra ao anatin'ny fandikan-dalàna tsotr'izao ny tsy fanarahana azy ireny. Ary dia anjaran'ny mpitandro ny filaminana ny manara-maso izany », hoy izy.





Ririnina
Ifanotohofana ny akanjo mafana
Ifanotohofana amin'izao fotoana izao ny akanjo mafana. Saika henika azy ireny avokoa ny sisin-dalana rehetra eto an-drenivohitra, toa amin'iny arabe Andrianampoinimerina eny Analakely iny, amin'iny faritr'Ambodin'Isotry iny, Soarano, Behoririka, Andravoahangy, Ambohimanarina ... Dia an'ny mpanjifa ny safidy satria samy mitobaka eny an-tsena avokoa na ny lamba tonta ( friperie) na ny vaovao, indrindra fa ireo vita avy any ivelany.
Ity voalohany anefa, na dia eo aza ny vaovao, no tena mahasarika ny mpanjifa satria 1 000 ariary, (raha ho an'ny ankizy) sy 3 000 ariary (ho an'ny olon-dehibe) dia efa mahazo akanjo mafana iray toy ny akanjo bà, ary eo amin'ny 5 000 ariary ka hatrany amin'ny 30 000 ariary kosa raha mitady ny somary matevina toy ny « blouson » sy ny « manteaux ».
« Itony lamba tonta itony no zakan'ny vola. Mbola misy azo anaovana tsara mihitsy mantsy izy ireny, raha mahay mijery azy », hoy ity renim-pianakaviana iray. Efatra ny zanany, raha ny fanazavany, ka zakan'ny fahefa-mividy tsara ny vidiny raha ho an'ny maro anaka.
Nosoritan'ireo mpivarotra lamba tonta, fa misy fisondrotany kely ny entana raha oharina tamin'ny taon-dasa. Saingy nomarihiny fa any amin'ireo lohan'entana no alaina izany fiakarany izany, ka izay no mahalafo azy, fa raha ny « tsaikany » dia tsy misy fisondrotana firy.
Nomarihan'ireo mpividy ny lamba vaovao vita avy any ivelany kosa, fa ny endriny manaraka lamaody no tena isafidianany azy, raha ny fanazavan'ity tovovavy iray teo Analakely. « Tsy mila mitsongoloka firy toy ny eny amin'ny lamba tonta, fa tonga dia mahita izay tadiavina, na eo amin'ny bikany na eo amin'ny lokony », hoy izy.
Manomboka any amin'ny 5 000 ariary ka hatrany amin'ny 50 000 ariary any kosa ny fitafiana mafana amin'ireny vaovao vita avy any ivelany ireny.





Zandarimaria
Misy tobin'ny zandary ao Manerinerina
Notokanana ny zoma 23 mey teo ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Manerinerina, distrikan'Ambato-Boeni, faritra Boeny.
Amin'iny lalam-pirenena fahenina mampitohy amin'Ambondromamy sy Antairanana iny, no miorina ity tobim-paritra vaovao ity.
An'ny orinasa Colas ny trano, naoriny tamin'izy nanamboatra iny lalam-pirenena iny. Natolotry ny minisiteran'ny Asa vaventy sy ny famantarana ny toetr'andro ho an'ny zandarimaria izany rehefa vita ny asa nataon'izy ireo.
Trano manara-penitra tokoa izy ity, misy 17 isa azo ipetrahan'ny fianakavian'ny zandary. Misy ihany koa trano folo hafa azon'ny zandary atao birao fiasana. Ary misy efitra iray lehibe azo andraisana fivoriana.
Ny jeneraly Lucien Raharijaona, komandin'ny
zandarimariam-pirenena, no tonga nitokana izany tany an-toerana.
Marihina fa nisy fiaraha-miasa akaiky teo amin'ny ny zandarimariam-pirenena sy ny Frantsay, tamin'ny alalan'ny mpiandraiki-draharaha eo amin'ny filaminana anatiny sy ny « détachement de la gendarmerie de coopération », tamin'izao fananganana ny tobim-paritra vaovao izao, izay nahafahana namatsy rano fisotro madio ho an'ny lakazera. Mitentina 14 000 euros teo ny nenti-nanana izany.




Mahazo
Olan'ny fiantsonan'ny fiara ny loto
Tsy laitra iainana intsony ny loto sy ny fofona ratsy ateraky ny tsy fisian'ny lava-piringa eny Mahazo, toeram-piantsonan'ny fiara mpitatitra. Olona an'arivony isan'andro anefa no mivezivezy eny.
Tsy mbola misy resaka aloha hatreto ny amin'ireo kaoperativa miantsona eny Mahazo, momba ny hifindrany eny Ampasampito. Nandritra ny fitsidihana tampoka nataon'ny filoham-pirenena, roa taona lasa izay, no nahitàny ny zava-nisy teny an-toerana.
Izany no nahatonga azy nanome baiko ny ben'ny tanàna tamin'izany fotoana izany, mba hamerinaindray ny toeram-piantsonana eny Ampasampito. Vita soa aman-tsara izy ankehitriny ary efa misy ny kaoperativa naiditra eny. Tsy ao anatin'izany anefa ireo mpitatitra miantsona eny Mahazo.
Raha ny zava-misy eny an-toerana anefa dia efa tsy an-jaza intsony. « Tsy misy ny toerana iandrasan'ny mpandeha fiara, ka eny amin'ny arabe sy eny amin'ny sisin-dalana eny izy ireo no mijoro. Fa ny tena zava-dehibe dia ny tsy fisian'ny lava-piringa. Dia misisika eny amin'ny vodi-tranon'olona sy amin'ny kirihitra ny mpandeha no manao ny ataony », hoy izy ireo.
Fofona maloto
« Tsy azo iainana mihitsy ny fofona aterak'ny maloto ataon'ireo mpandeha amin'ny fiara mpitatitra », hoy ity vehivavy monina eny anilan'ny toeram-piantsonana. Na tatatra kely aza mantsy dia anaovan'ny mpandeha sy ny mpamily fiara maloto, noho izay tsy fisian'ny toeram-pivoahana izay.
Nisy lava-piringa ihany, tany am-boalohany, iray tao an-damosin'ireo trano heva kelin'ny kaoperativa ary ny faharoa tany akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mankany Ambohimalaza. Saingy tsy naharitra firy taona akory ireo dia noravana.
« Nalaky feno izy ireo satria tsy naharaka ny fahabetsahan'ireo mpandeha teny an-toerana », hoy i R. Solo.





Finoana
25 taona ny Feo Dimy
Nosokafana, omaly teny amin'ny FJKM Amparibe Famonjena, ny fanamarihana ny faha-25 taonan'ny tarika « Feo Dimy », teo amin'ny sehatry ny finoana. Ny gadon-kira « Negro spirituals » sy ny « Gospel songs » no nanavana sy nampiavaka ny tarika « Feo Dimy ». Ny 10 jona 1983 no niorina ny « Feo dimy ». Araka ny fanazavan'ny pastera Rahaingonjanahary Rodolphe, filohany, dia olona dimy izy ireo no niaraka namorona ny tarika tany am-boalohany ary amin'izao fotoana izao dia efa tafakatra 13 ny isany. « Tsy ny isan'ny olona tao aminy no mamaritra ny anaran'ny tarika « Feo Dimy » fa ny karazam-peo dimy samihafa ao aminy », hoy izy.
Amin'izay maha tarika miventy ny foto-kevitry ny baiboly azy izay dia nosoritany fa ny hitory sy hizara izany - Jesoa Kristy ho mpanafaka - ho an'ny olona rehetra no tanjon'ny tarika. Faritra samihafa no efa notetezin'ny tarika nanatanterahany izany. Maro ihany koa ireo vokatra samihafa nentiny nampahalalana izany.
Amin'izao fanamarihana ny faha-25 taonany izao dia tsangambato lehibe entin'ny tarika ny fananganana azy ho fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana. « Arahin'asa ny fitoriana ka ho ezahina amin'izany ny hanampiana ny olona eo amin'ny fiainana ara-tsosialy », hoy ihany ny filohany.




Iray volan'ny teny malagasy
Ifaninanana ny mamaky SMS
Migadona indray ny volana jona hanamarihana ny « Iray volan'ny teny malagasy ». Ny Akademia malagasy no nipoiran'ity hetsika ity, satria mifanindran-dalana amin'ny fanamarihana ny fetim-pirenena, ny 26 jona, izy io. Fihetsiketsehana maro samihafa, araka izany, no tontosaina amin'izany.
Manaraka ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny teknolojia anefa ny hetsika. Koa fomba hafa kely no entin'ny Akademia mankalaza izany : ny famakiana sy ny fandikana ireo hafatra alefa amin'ny alalan'ny finday na ny SMS. Araka ny fanazavan'i Nalisoa Ravalitera, isan'ireo mpikambana ao amin'ny Akademia malagasy, dia saika mivalampatra amin'io SMS io avokoa amin'izao fotoana izao ny fifandraisan'ny olona rehetra.
Ankoatra ny Akademia moa dia samy mandray anjara mankalaza ity volana ity avokoa ireo fikambanana samihafa mpandala ny teny malagasy.




Antanimena
Arabe nihotsaka namela lavaka be
Nihotsaka ny arabe eo Antanimena. Lavaka lalina no hita eny amin'izao fotoana izao, ka mila mitandrina ny mpamily.
Misy lavaka be, eo amin' ny 60 santimetatra savaivo eo ary misy halalina any amin'ny 90 santimetatra any, amin'izao fotoana izao amin'ny araben'Antanimena. Izany hoe miala kely ny sampanana eo amin'ny Foibe ara-tsaina amerikana ka hamonjy ny sampanana hihazo an'i Soarano, amin'iny làlana Rainibetsimisaraka iny.
Ho loza indray koa no hanjo ny mpamily fiara izay miraparapa ka mandeha mafy raha mizotra amin'io làlana io, satria tsy tazana mihitsy ilay lavaka raha tsy efa akaiky. Tsy misy zavatra mipetraka hamantarana azy, ahafahana miala izany eo an-toerana. Somary anaty lempona kely izay rahateo ihany koa moa no misy an'ilay lavaka, raha oharina amin'ny hahavon'ny arabe.
Atahorana hihitatra
Raha ny fahitàna an'ity lavaka ity dia vokatry ny fihotsahan'ny arabe no nahatonga azy. Azo heverina, araka izany, fa malemy ihany koa ny manodidina azy. Mody lavaka kely eo amin'ny 60 santimetatra eo mantsy no refin'ilay vavalavaka hita ety amboniny, fa ny ao anatiny ao rehefa jerena mangotana ihany. Ka raha sanatria misy ny vesatra mafy avy eo amboniny dia hihitatra izany.
«Tamin'iny faran'ny herinandro teo iny no nipoiran'io lavaka be io. Tsy hitanay izay antony nahatonga azy satria izahay tsy niasa tamin'io fotoana io», hoy ireo mpiasa eny amin'ny manodidina an'ity arabe ity. Omaly maraina izy ireo, raha ny fanazavany, vao gaga nahita izany.
Hitombo ihany ny fahasimban'ny làlana eto an-drenivohitra raha izao no mitohy.





Polisim-pirenena
Nitarina ny Akany fanabeazana zaza kamboty
Notokanana ny asabotsy teo,tao amin'ny Akany fanabeazana ireo zaza kambotin'ny polisy maty am-perinasa, ao Ambatolampy, ny trano vaovao iray fanampiny hitaizana azy ireo. Misy 51 mianadahy izy ireo no beazina ao amin'ity akany ity.
Trano iray lehibe izy ity ahitana rihana iray izay mizara efitra maromaro hatorian'ireo mpianatra, sy efitra hianarany ary efitra fidiovana.
Vola mitentina hatrany amin'ny 300 tapitrisa ariary any no nenti-nanana an'ity trano vaovao ity. Notohanan'ireo mpanohana ara-bola samihafa ny fanorenana azy ity.
Nosoritan'ireo nandaha-teny tamin'izany fa tsy irery akory ny ankizy beazina ao amin'ny akany, ka ny tanjona dia ny hahatonga azy ireo ho olom-pirenena vanona sady ho tompon' andraikitra afaka hisedra ny fiainana any aoriana.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana tany an-toerana ny sekreteram- panjakana misahana ny Filaminana
anatiny, ny « inspecteur général de police » Rasolofomanana Désiré.




1794midi-mg-002087-3294-11042008 Gardien maty novonoina
Antsiranana
Gardien maty novonoina
Augustin Tomboravo, maty nisy namono ny alin'ny alarobia teo, tao amin'ny fokontany Scama. Raha araka ny fijerin'ny mpitsabo dia ny lohany no voadaroka. Tamin'ny enina ora maraina no nahitan'ny vadiny ilay faty teo ampovon'ny trano ambenany. Raha ny filazan'i Bekamisy Jean Guys, filoham-pokontany, dia nisy adiady io alina io. Olona roa no voarohirohy amin'ity raharaha ity. Anisan'izany ny vadiny. Ankoatra izay dia nisy iray koa voarohirohy tamin'ny halatra barika tao amin'io fokontany io ihany. Ny orinasa Mafi no tompony ary teo am-pivarotana no sarona io olon-dratsy io. Efa eo ampelatanan'ny zandary izy amin'izao fotoana izao. Heverina fa mety misy ifandraisany ireo tranga roa ireo.
V.Jcl 


1794midi-mg-002088-3295-11042008 Sefom-pokontany voarohirohy
Mananjary
Sefom-pokontany voarohirohy
Tamin'ny ady an-kafetsena no nangalan'izy mirahalahy ny ombin'olona izay tsy iza fa ny rafozan'ilay zandriny ihany. Sefom-ponkotany iray no voasambotra amin'izao fotoana izao ary efa any am-pelatanan'ny mpitandro filaminana.
Lehiben'ny fokontany ao Antsenavolo Mananjary no nanao izao zavatra izao. Araka ny maha sefo azy dia voalaza fa mora aminy ny mivarotra ireo omby halatra, na koa mamadika izany ho hena. Mpivaro-kena no asany ary ilay zandriny dia manambady zanak'olona mpanakaren' omby any Namorona. Asa aloha no iray tetika amin'izy roalahy io vehivavy io na tsia. Efa vadin'ilay ramatoa fahatelo mantsy ity miaraka aminy ity. Ny antony nisarahany tamin'ireo roa voalahany dia noho ny halatra ny ombin-drainy ihany.
Nanomboka tamin'ny taona 2007 ny halatra. Tamin'ity taona 2008 ity, nahatratra 16 ny omby tsy hita. Tsy indray very anefa ireo fa mandeha tsikelikely. Rehefa tonga any amin'ingahy sefom-pokontany dia, na vonoina amidy eny an-tsena, na raha lehibe ny omby, atakalo. Dia sahala amin' izany hatrany. Sarona ihany ny afera amin'izao fotoana izao. Efa mandeha ny famotorana isan-karazany ataon'ny mpitandro filaminana. Toa tsy mety manoro ilay rahalahany mihitsy anefa ingahy sefo. Misy ny atao hoe dinan'I Namorona amin'ny resaka halatr'omby ka raha tratra mangalatra omby iray dia tsy maintsy mamerina omby roa. Koa raha izy mirahalahy no indray tratra dia asa izay ho isan'ny omby  tokony haveriny.
HAR 


1794midi-mg-002089-3296-11042008 Ampio pasitera Berjules
Ampio pasitera Berjules
Mpitandrina FJKM misotro ronono nefa tena sahirana ara-bola noho ny tsy fahasalamana i pasitera Berjules Raminoarivony. Ao ny  analyses , fanafody,  echo-doppler ,  amputation 2e orteil droit, bilans pré-opératoires, artériographie  : tsy araka mihitsy ny vola fa mandeha ohatra ny rano. Ny 14 febroary teo izy no nanomboka niditra hopitaly, ary mbola mitohy ny fitsaboana. Koa mangataka fanampiana izy.
Pasteur Raminoarivony Berjules, HJRA 3e étage Traumato B, porte 325; compte BFV-SG 67 Ha 045 0000 3731-89 ; tel 032 02 121 03


1794midi-mg-002090-3297-11042008 Tapatapany
Tapatapany
 - Antsirabe. Notondrahany pipy ny zanany. Rangahy iray no fantatra fa nanao herisetra tamin'ny zanany vavy teny Tsarasaotra Antsirabe. Nody izy indray alina efa tamin'ny 10 ora sy sasany ary efa mamo. Avy hatrany dia notorahany vilia nisy vary ilay zanany, avy eo notorahany tamin'ny tavimandry feno pipi. Rehefa izany, nasainy niditra tao anaty efitra iray ary nasainy niboridana. Niantso vonjy ilay ankizy vavy.
 - Ampanefena. Matin'ny olona ilay tovolahy. Tsy namelan'ny fokonolona raha tsy tapitra ny ain'ity tovolahy iray nihetraketraka tamina ankizivavy roa. Tany Anjagna ambinany Andranovory, any amin'ny SAVA no nisy ity zava-nitrnga ity. Nandeha niala ny tanana ny ankizivavy roa. Teny an-dalana anefa dia notafihan'ny lehilahy. Ny iray voavely hazo teo amin'ny lohany ary torana avy hatrany, ny faharoa voa teo amin'ny tanany. Nisy nahita izany rehetra izany ka tonga ny fokonolona. Dia ireo no nidaroka ity lehilahy.
Lova/Remi R. 


1794midi-mg-002091-3298-11042008 Tsy manaiky ny hanesorana ny tale ny mpianatra. 
JESOSY MAMONJY.   Miseho lany indray ny tsy fifanarahana ao amin'ny sekoly  Pantekotista Ankorondrano.
Tsy manaiky ny hanesorana ny tale ny mpianatra. 
Araka ny didim-pitsarana nivoaka tamin'ny 13 novambra 2007,  sy ny grosse mifanaraka amin'izany nivoaka ny 12 marsa 2008 lasa teo, dia esorina tsy ho eo amin'ny toerana maha talen'ny Sekoly Pantekotista azy intsony Atoa Razafimpianarana Joro Harinosy. Omaly maraina raha tonga hanatanteraka io didim-pitsarana io teny an-toerana ny association Jesosy Mamonjy, miaraka tamin'ny Vadintany dia naneho ny tsy fankatoavany izany ireo mpianatra. Tao ireo nitomany, tao ny nibahana manoloana ny sekoly, ary nisy  nitora-bato mihitsy aza, raha  natolotra ny SG-n'ny Association Jesosy Mamonjy: Pasteur Rasolomahery Jymm ny lakilen'ny sekoly. Tsy natahotra ireo forces avy amin'ny zandarimaria miisa valo, izay nantsoina manokana hanara-maso ny raharaha izy ireo. Vokatr'izany dia tsy afaka nanatanteraka ny asany ny vadintany, ary  tsy maintsy niantso forces d'intervention nony niverina ny hariva. Ilay tale tokony hesorina rahateo koa moa tsy hita ka voatery notadiavina, kanefa izy dia efa tsy mipetraka ao amin'ny adiresy izay napetrany tao amin'ny fitsarana intsony.Tsy mbola hita hatramin'izao ny misy azy. Araka ny filazan'ny Pasteur Jymm dia tantara efa ela ity raharaha ity, ary io Atoa Joro io dia efa nalan'ny Ministeran'ny Fampianarana tsy ho tale intsony, tamin'ny volana avril 2004, fa mbola nisisika ihany. Nanambara ihany koa izy fa an'ny Jesosy Mamonjy madiodio io tany misy ny Sekoly io, ary ny didim-pitsarana dia manambara fa azy ireo ihany koa ny Sekoly ka ny CA-n'ny Association Cultuelle Jesosy Mamonjy no tokony hitantana azy. Nanamafy koa ny Association fa tsy manala ireo mpianatra sy mpandraharaha ary mpampianatra ao amin'ny sekoly izy ireo fa ny tale ihany. Toa tsy faly amin'izao toe-javatra mitranga izao anefa ny raiamandrenin'ny mpianatra sy ny mpandraharaha vitsivitsy, ary milaza ny hanao fitokonana eo an-toerana izy ireo anio.
Ony A. 
Lire aussi - Ambatolampy Tsimahafotsy : Mort d'infarctus après avoir découvert sa femme avec un autre - Tsaralalàna : Nodarohan'ny mpivarotena - Antsiranana : Gardien maty novonoina - Mananjary : Sefom-pokontany voarohirohy - Ampio pasitera Berjules - Tapatapany 


1794midi-mg-002092-3299-11042008 Zaza roa taona maty tsy tra-drano, olona 22 naratra mafy
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Zaza roa taona maty tsy tra-drano, olona 22 naratra mafy
Lozam-pifamoivoizana roa samihafa niseho tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Vokany. Olona iray namoy ny ainy, ary 22 hafa naratra mafy. Ny voalohany  dia niseho tamin'ny lalam-pirenena faha 4, tany Andranolava-Marovoay ny alin'ny talata tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Fiara Mazda mpitatitra olona no latsaka tany anaty tetezana. Naratra mafy ireo olona 19 tao anatiny, ary zaza iray vao roa taona monja namoy ny ainy. Nandray an-tanana avy hatrany ny famotorana mikasika izao loza ozao ny mpitadro filaminana any an-toerana.
Ny faharoa dia loza niseho tany Andriamena ny alatsinainy teo tamin'ny 4 ora hariva, ary mbola fiara mptatitra olona ihany. Tsy nahatafiditra 'vitesse tamin'ny fiakarana ilay fiara ary nitambotsotra niverina. Vokany. olona 4 no naratra mafy. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy.
Taorian'ilay loza namoizana ain'olona maro tany Ambohimandroso dia entitra ny fitondram-panjakana amin'ny fanaraha-maso ireo fiara mivezivezy amin'ny lalam-pirenena, indrindra fa ireo mpitatitra olona. Ary tokony hampiharina manerana ny Nosy izany mba hisorohana ny loza mety hiseho.



1832midi-mg-002131-3342-12042008 Dahalo 3 maty voatifitry ny zandary
Dahalo 3 maty voatifitry ny zandary
Ony A


1832midi-mg-002132-3343-12042008 Mitokona ny mpianatra
Mitokona ny mpianatra


1832midi-mg-002133-3344-12042008 Mpiasan'ny Toyota Rasseta nosamborina
FANAFIHANA TENY TSARALALANA
Mpiasan'ny Toyota Rasseta nosamborina
Niampy iray indray ny olona voasambotra, dia tsy iza fa ny mpitam-bola iray ao amin'ny Toyota Rasseta ao Behoririka. Izy io no nanome ny vaovao rehetra an'ireo mpanafika. Izy no nanome toromarika an'i Rastà sy Guytou mikasika ny fisian'ilay volabe, ny lalana halehany ary ny fiara mitondra azy. Ary rehefa vita ny fanafihana dia nifampizaran'izy telolahy ny vola.
Raha tsahivina dia ny zoma 4 aprily teo no notafihin'ny jiolahy mirongo basy teny Tsaralalàna ny fiara nitondra ny vola 76 tapitrisa Ar, niampy seky 1 miliara Ar an'ny orinasa Toyota Rasseta. Vola izay saika haterina tany amin'ny banky BNI Antsahavola. I Rastà sy Guytou no nanatenteraka ny fanafihana. Nandeha scooter izy roalahy ary nitondra basy. Nosakanany ny lalan'ilay fiara ary notereny hanome ny vola ireo mpiasa tao anatiny. Tsy nisaron-tava anefa izy roalahy teo am-panatanterahana ny fanafihana ka tadidin'ilay mpiasa ny tarehiny. Avy amin'iny no nanatanterahana ny fisamborana ka i Guytou no tratra voalohany teny Andravoahangy. Ny harivan'io dia tratra ihany koa i Rastà, ary ireo no nanoro an'i Lalaina, ilay mpitam-bola ao amin'ny Toyota Rasseta. Niaiky ity farany fa izy tokoa no nanome toromarika azy roalahy, ary nanome baiko ny tsy handratrana ireo mpiasa nitondra ny vola. Araka ny nambarany dia nariany ao anatin'ny farihin'i Behoririka ny finday avy nifampiresahana tamin'ireo mpanafika. Nanamafy koa izy fa norahonan'i Rastà izy mba hanome ireo vaovao ireo. Rehefa avy nifampizara ny volabe ireo jiolahy dia samy nividy moto Honda, ary nandeha nirevy niaraka tamin'ny vehivavy tany Toamasina. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary napetraka vonjimaika eny am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana.
Aina R.


1832midi-mg-002134-3345-12042008 Notapahina ny lohan'izy roavavy
VONOAN'OLONA. Misy karazan'olona tsy mataho-tody mihitsy ary mahavanon-doza amina zavatra tsy dia misy dikany loatra.
Notapahina ny lohan'izy roavavy
Tamin'ny fomba feno habibiana tokoa no nanapahan'ilay jiolahy mpangalatra ny lohan'ireo ankizivavy kely, eo amin'ny 12 taona eo. Norasainy tamin'ny antsy. Mazava fa dia samy maty ireto mpirahavavy ireto. Tany amin'ny fokontany atao hoe Sahavia, kaominina Vanogna, distrikan'i Mananara no nisehoan'izao vonoan'olona izao tamin'ny volana marsa teo. Namaky trano tao amin'ilay tanàna ny mpangalatra roalahy. Hitan'ireto ankizy tsara ry zalahy satria an'ny ray aman-dreniny ilay trano. Rehefa azon-dry zareo izay nilainy tao dia lasa izy ireo. Afaka andro vitsivitsy anefa dia hitan'ireo ankizy ny iray tamin'ireo jiolahy ary dia notondroiny avy hatrany nanao hoe: iny ilay nangalatra tao an-trano.
Tezitra tamin'izany ilay bandy koa dia nandrasany kendry tohana ireto mpirahavavy. Ny toerana nanapahany ny lohany, tsy fantatra marina fa ny fatin'ireo ankizy sisa no hita. Araka ny efa voalaza etsy ambony, dia antsy no nanapahany ny tendan'ireo zaza.
Sazy henjana
Nandeha ny fikarohana ka tratran'ny zandary ihany izy ireo. Ny karazan-jiolahy toy itony dia tokony hahazo sazy faran'izay henjana mihitsy. Tokony hampiarina aminy ny fanamelohana ho faty ary tanterahina izany fa tsy afindra ho gadra mandram-pahafaty fotsiny. Tsy izy ireny ihany anefa fa ireo mpandroba isan-karazany sahy mitifitra sy manindrona antsy, famaky, lefona izay efa nahafatesana olona maro.
Remi R./r.s.


1837midi-mg-002140-3363-14042008 Echos du vendredi
Echos du vendredi
Le vendredi joli fut plutôt clame cette semaine. Au Coffee Bar, Balita Marvin éblouit avec un soul music qui berce et réveille les sentiments. Soft à souhait, l'ensemble vocal est parfait sous les percussions des jumeaux Ny Aina et Ny Onja. A la guitare, Balita Marvin fait rêver le public. Une affiche à ré-éditer.
Des kilomètres plus loin, à Andoharanofotsy, place à deux compères qui se comprennent à demi-mots. Il s'agit en l'occurrence de Tsealonina et Jean Emilien.  Ravitoto sy voanio, sakafo tena malagasy ... , un titre qui ne manque pas de faire rire l'assistance de la Résidence Tournesol.
A présent, place à une nouvelle semaine de travail. 
RHD 
Culture 

1847midi-mg-002151-3374-14042008 Mpanao dabokandro nisy nanafika, very ny 50 tapitrisa Ar
Anosibe.
Mpanao dabokandro nisy nanafika, very ny 50 tapitrisa Ar
Nivoaka ny trano vao maraina be ny mpividy omby iray, teo anelanelan'Anosibe sy ny tsenan'ny Tantsaha eny Anosizato. Raha vao tonga teny amin'ny arabe anefa izy dia nisy nibata  sy nampiditra azy an-keriny tao anaty fiara R 12. Nisy vola 50 tapitrisa Ar tany aminy tany, ary voalaza fa tsy hita intsony io vola io.
Omaly alahady tokony ho tany amin'ny 3 ora sy sasany maraina tany ho any no niseho ity fakana an-keriny miaro herisetra ity. Nikasa ho any Ihosy hividy omby ity mpanao dabokandro ity no sendra izao zavatra izao. Tsy maintsy mandeha elakelatrano izy vao tonga eny amin'ny arabe hamonjy ny kamiao. Ireo namany dia voalaza fa mbola tany aoriana kely tany. Izy irery izany no sendra ireo olon-dratsy ireo.
Raha vao nahalala ny vaovao ny fianakaviana, dia nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Natao avy hatrany ny fikarohana rehetra sy ny fanakanana eny an-dalana. Omaly ihany, tokony ho tamin'ny 1 ora folakandro, hita teny Ambohitrimanjaka ilay fiara. Nitohy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin'ny 3 ora anefa dia tafaverina tany an-tranony ilay mpividy omby. Araka ny voalaza ihany, toa verivery saina. Rehefa nanontaniana rangahy dia nilaza fa tsy nisy zavatra tsaroany izay niseho taminy. Ny hany tadidiny dia hoe vao tafiditra ilay fiara izy dia voakapoka tao amin'ny hatoka, dia izay.
Asa na fanimpiriny tamin'ny mpanao dabokandro voatafika izao ity rangahy ity na fanimpiriny?. Raha ny fisehoan'ny fanafihana azy dia toa  efa nisy nahalala ny dia halehany sy ny vola nentiny.
Mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao.



1847midi-mg-002152-3375-14042008 Rakotra avandra ny tanety sy havoana
Andro ratsy.
Rakotra avandra ny tanety sy havoana
Tena zava-doza no niseho tamin'ny faritra Vakinankaratra iny tamin'ny sabotsy 12 aprily teo. Nirotsaka izay tsy izy ny avandra teo anelanelan'I Sambaina sy Antanifotsy. Nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany ka tsy nijanona raha tsy tamin'ny 3 ora. Izay jerena nangilam-potsy avokoa na ny havoana na ny lohasahy sy ny sisin-dalana rehetra amin'ny lalam-pirenena faha-7 iny. Mangatsiaka be ny andro ohatran'ireny misy oram-panala nirotsaka ireny. Maro ny fiara nijanona ary nisy olona tsy naharitra fa dia nilalao ireny avandro ireny mihitsy. Toy izao hita amin'ny sary izao, tsy kely tsy lehibe.
Teny amin'ny tanimboly maro, simba avokoa ny zava-maniry. Tsy azo naleha ny lalan-kely satria namotaka tsy nisy ohatran'izany. Ny mponina teny amin'ny faritra nilatsahan'ny avandra dia niteny fa tsy nisy orana firy tamin'io andro io fa tonga dia avandra no niraraka narahana rivotra nifofofofo be.
Miova tokoa ny toetr'andro. Raha izao no mitohy, tsy ho ela dia hisy la neige aty amintsika.



1847midi-mg-002153-3376-14042008 Voatifitra tsy nahy dia maty tsy tra-drano.
Ivato-Aéroport. Nilalao basy kanjo namono olona no niafarany vokatry ny tsy fitandremana.
Voatifitra tsy nahy dia maty tsy tra-drano.
Maty vokatry ny fitifirana tsy nahy nataon'ny miaramila iray ity lehilahy sivily iray. Tany Ivato -Aeroport, teo akaikin'ny tsena no nitrangan'ity toe-javatra mampalahelo ity ny zoma 11 aprily lasa teo tokony ho tamin'ny efatra ora hariva. Raha mba niaraka nanala azy nanao zoma mahafinaritra ny lehilahy efatra, nisy miaramila dia nisy sivily io zoma hariva io dia nanapaka hevitra ny hanao fifaninanana remontage sy démontage basy izy ireo. Vahana izany ny basy ary dia averina monter-na avy eo, nifanarahan'izy ireo tamin'izany fa esorina ny chargeur mba hisorohana ny loza. Ny sasany tamin'izy ireo moa dia miaramila avy ao amin'ny Présidence. Tsy fantatra mazava anefa izay niseho fa ilay nanao essai farany izay voalaza fa miaramila dia nahatifitra tampoka ny namany iray izay nomarihina fa sivily. Voa teo amin'ny ambavafony ilay lehilahy ary dia maty voakatry ny ratra nahazo azy. Araka ny fantatra dia hadinon'ity miaramila ity ny nanala ny chargeur-ny basiny ka dia izay no antony nahalasa tsy nahy ny fitifirany. Tsy fantatra moa na nanao ahoana loatra ny fomba nitazonany ilay basy tao anatin'ny fikirakirana azy ka nahatonga ny tanany hitifitra. Variana loatra tamin'ilay fifaninana koa angamba ka tsy nitandrina. Izao izany ilay antsoina hoe maladresse. Tsy fantatra kosa na tao antin'ny fahamamoana na tsia ireto lehilahy ireto. Tsy fantatra koa na niady na tsia. Mbola mitohy ny famotorana ataon'ny manam-pahefana mikasika ity raharaha ity.
Ony A 
Lire aussi - Anosibe : Mpanao dabokandro nisy nanafika, Very ny 50 tapitrisa Ar - Andro ratsy : Rakotra avandra ny tanety sy havoana 


1847midi-mg-002154-3377-14042008 Olona 9 no indray namoy ny ainy.
Lozam-pifamoivoizana.
Olona 9 no indray namoy ny ainy.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona tany amin'ny faritry Toamasina tamin'ny sabotsy lasa teo. Olona miisa 9 no fantatra fa maty. Misy koa anefa ny vaovao nilaza fa tafakatra 13 izany. Ankoatra ireo, olona 11 no tsy maintsy nampidirina any amin'ny Hopitalibe Toamasina. Maty  ihany koa ny iray rehefa tonga tany.
Tamin'ny sabotsy tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany no niseho ity loza ity. Sarotra dia sarotra anefa ny fitanterana ka efa tamin'ny 8 ora alina vao tonga tany amin'ny hopitaly ireo naratra. Afaka 25 km miala an'i Toamasina, amin'iny lalam-pirenena faharoa iny, ary nivily nihazo lalana kamoninaly, eo amin'ny bac Andringaringa. Teo ambony tetezana, 18 km afaka ilay fiviliana no nitranga ny tsy azo nialana. Efa manomboka simba ilay tetezana ka latsaka tany ambany tany, tokony ho 9 m ilay kamiao. Maty teo no eo ny olona valo ka anisan'izay ireo nipetraka tao amin'ny devant sy ny mpamily. Ireo nalefa tany amin'ny hopitaly dia nisy ny tena voa mafy mihitsy. Omaly ohatra dia tsy maintsy notapahana ny sandry havanan'ny lehilahy iray. Tamin'ny ankapobeny dia tapaka taolan-tratra ny ankamaroan'ireo naratra.
Tsy misy taxi-brousse
Araka ny fantatra dia tsy misy fiara mpitatitra mandeha any ambanivohitra rehetra any. Manararaotra mandeha kamiao ny olona satria lavitra ny lanana. Ilay fiarabe anefa natao hitondrana entana. Mavesatra araka izany ny lanjany ka izany no tsy nahazakan'ilay tetezana azy intsony. Voalaza fa nahatratra hatrany amin'ny 4,5 taonina ny entana, ciment, vy sy zavatra madinidinika isan-karazany.
Nisy ihany anefa olona rao nieren-doza ka tsy dia nanao ahoana loatra ny ratrany, ankizy iray 10 taona sy ny mpanampy ny saofera.
Tonga tany an-toerana ny minisitry ny fitanterana nijery ny zava nisy. Tamin'izany no nampaherezany ireo marary sy nampiononany ireo mana-manjo. Nanolotra vola 3 tapitrisa Ar ho an'ireo olona ireo izy.
J.C. Steve 


1849midi-mg-002157-3380-14042008 Les résultats :
Les résultats :
Seniors hommes
1- Hajanirina Andriamparany (COSFA): 1h 09
2- Fabien Randrianarison (CABEVA) : 1h 11'8 ''
3- Fulgence Rakotondrasoa (PMS) : 1h 13 '21''
Senior dames
1-Ratinarisoa Landinirina (COSPN): 1h 30'13''
Juniors filles
1- Florence Anita Amasogno (ACD):  1h 33'55''
2- Marie Jeanne Rasoamanarivo (TAFARAY): 1h 36' 47''
3- Nirina Mamisoa Rabarimalala (PMS)
Juniors garçons
1- Mosa Christian (Ihorombe)
2- Rabenintany Hery Tija (CNAPS): 1h 20'51''
Vétérans hommes
1- Rakotonirina Jean Baptiste (3FB): 1h13'31''
2-Nampoezy Justin (COSPN): 1h 14'42
3- Ramarolahy Boniface (COSFA): 1h 14'48
Vétérans dames
1- Jacqueline Razanadravao (3FB)
Cahier Sports 

1870midi-mg-002179-3405-15042008 Olona 7 voarohirohy
Halatra varavarana.
Olona 7 voarohirohy
Tsy nijanona teo anefa fa mbola nanoro ireo mpandray ny halatra ireto mpangalatra ireto. Eny Isotry no alefa ny entana ka alefa Ar 140 000 sy Ar 160 000 ny vidin'ny iray. Nosavaina ny tranon'ireo mpandray halatra ireo ka mbola hita tao ny varavarana miisa 100.
Efa maro ny zavatra very tao amin'io toerana io taorian'ny Jeux des îles. Tsy misy mipetraka mantsy eny fa mpiambina fotsiny no mikarakara sy manadio ny toerana.
Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana omaly ireo olona ireo.
r.s.


1870midi-mg-002180-3406-15042008 Vono olona tao anaty  carrière 
Vono olona tao anaty  carrière 
Tao Ambodimanga, Fokontany Savalalina, no nisehoan'ity toe-javatra hafahafa ity ny faha-09 volana aprily lasa teo. Tokony ho tamin'ny efatra ora maraina, raha nanomboka niasa tao amin'ny  carrière  fiasany isan'andro ity lehilahy mpanao vato iray, dia nisy namono. Ary izao famonoana izao dia niafara tamin'ny fahafatesany mihitsy. Araka ny fantatra dia eo amin'ny iraika amby telopolo taona eo ho eo ity lehilahy maty ity ary jiolahy roa no nahavanona izao vono olona izao. Nitsoaka avy hatrany izy ireo. Efa eo ampelatanan'ny manampahefana ny raharaha ary efa fantapantatra ihany koa ireto jiolahy ireto. Efa mandeha ny fisamborana azy ireo. Ny amin'ny antony nanaovany izao zavatra izao kosa dia tsy fantatra mazava na resaka halatra na adiady na zavatra hafa mihitsy.


1870midi-mg-002181-3407-15042008 Tovolahy voakaikitry ny voay teo amin'ny filahiany
MANANJARY. Olona faha 12 nokaikerin'ny voay ity tovolahy iray teny amin'ny renirano Namorona.
Tovolahy voakaikitry ny voay teo amin'ny filahiany
Tany amin'ny tanana atao hoe Anosiparihy miala 80 km an'I Mananjary no niseho ity zavatra ity tamin'ny herinandro lasa teo. Efa hariva ihany ny andro tamin'io satria efa tamin'ny 6 ora. Roalahy ry zareo no niaraka tamin'izay. Tsy maintsy nirobo-drano anefa niampita ny reniranon'I Namorona. Hatreny andohalika ny rano. Rehefa tafaroso lavidavitra anefa, avy hatrany dia niantsmpazan'ilay biby Randria, izany no anarany. Tena kaikitra be mihitsy ny nahazo azy ary io nitarika ny faharatrany io. Tsy ny kibony sy ny filahiany ihany anefa no voa. Voailiny ilay voay, nisokatra ny vavany dia nisotrika. Noheverin'izy roalahy fa lasa ilay izy. Kanjo mbola nisampotina ka ny tanan'ilay tovolahy indray no noketohany. Niezaka nanampy azy ilay namany sady nitabataba niantso vonjeo. Farany, navotsotri'ilay voay ihany koa ny tanany. Ny olona teo an-tanana koa efa tonga.
Naratra mafy Randria ary teo no ho eo ihany dian nentina tany amin'ny CSBII teo an-tanana. Soamary nahatsikaiky ihany ny zavatra niseho. Tsy maintsy naboridana tanteraka teo imason'ny olona teo izy nizahana ireo ratra nahazo azy. Ary dia samy nahita ny rehetra fa saika tapaka mihitsy ny maha lehilahy azy.
Tsy vao izao no nisy olona anratran'ny vaoy teo amin'io tanana io. Efa ny faha-12 ity tovolahy ity. Matahotra tsy misy ohatran'izany ny mponina. Efa nisy ny antso nantaon'izy ireo ho an'ireo olona mahay misambotra voay nefa tsy mbola nisy nanohina izany. Telo volana lasa izay, nisy tovokahy kely iray efa nosangian'ny vaoy teo amin'io tanana io. Naratra koa ity ankizy lahy ity fa mba tsy lasany tany. Tamin'izay andro izay, voalaza fa misy loko manga sy mena ilay voay. Ity tamin'ny heriandro ity indray, tsy misy marika. Manomboka amin'ny 10 ora maraina, rehefa mafana be iny ny andro, hitan'ny olona mitanin'andro eny amin'nysisin-drano ity voay ity. Mahatratra hatrany amin'ny 3 metatra any ny halavany.
Tsy fantatra ny antonym hanekerany olona. Ny dokotera any an-toerana milaza fa ohatran'ny biby hafa, mety ho romotra ihany koa ny voay.
HAR


1872midi-mg-002184-3410-15042008 BASKET-BALL EN BREF  Ntsay Abel, un mandat  jusqu'en 2010  Le championnat de N1A à Toamasina
BASKET-BALL EN BREF
Ntsay Abel, un mandat  jusqu'en 2010
Le championnat de N1A à Toamasina
Sports 

1880midi-mg-002193-3421-16042008 Ilay zaza saika lanin'ny alika, ramatoa voavetaveta
ANTSIRABE
Ilay zaza saika lanin'ny alika, ramatoa voavetaveta
Tamin'ny alin'ny alatsinainy teo tokony ho tamin'ny 10 ora, dia nahare zaza mitomany ny mpiasan'ny kaominina iray eto Antsirabe tsy lavitra loatra ny gara. Tetsy an-daniny, ireo polisy ao amin'ity gara ity dia nahare izany ihany koa. Samy nandeha teo amin'ilay toerana izy ireo. Akory ny hagagany sy hatezerany raha nahita zazakely iray efa nitangoronan'ny alika. Tsy lavitra teo ny reniny misy manolana. Lehilahy roa izy ireo nametaveta ity ramatoa ity. Ilay iray nijoro teo anoloana teo ary ilay iray hafa teo am-panolanana an-dramatoa.
Notahian-janahary
Mbola notahian-janahary izy mianaka ireto, hoy ireo olona nahita ny fandehan-javatra. Zavatra efa matetika misy eny amin'iny faritra iny izao nitranga tamin'ny alin'ny alatsinainy izao. Mitady vehivavy sahirana ireo bandy, ampisotroiny toaka ary hanaovany ny sitrapony avy eo. Tamin'ity indray mitoraka ity dia vehivavy vao avy niteraka no sendra an-dry zalahy. Vao teraka telo volana. Nomen'izy ireo toaka ilay ramatoa. Rehefa hitany fa mamo dia nataony amin'izay nitiavany azy.
Nentina haingana tany amin'ny hopitaly ilay ramatoa taorian'izany. Rehefa tonga teny anefa dia nahatsiaro saina izy ka nandositra nitady ilay zanany. Rehefa fantany fa efa nisy nandray io dia niverina nanaraka fitsaboana indray izy. Voasambotra ilay lehilahy nanolana azy, tafandositra kosa ilay namany.
Lova 


1880midi-mg-002194-3422-16042008 Tapatapany
Tapatapany
 - Kamiao mitatitra olona, loza mitatao. Taorian'ny loza nahafatesana olona 9 niseho tany amin'ny faritr'i Toamasina, dia maro ireo antso an-tariby tonga taty amin'ny gazety milaza ny zava-misy any amin'ny faritra maro lavitra ny renivohitra any. Tsy fiara natokana ho amin'ny fitaterana no maro manao izany fa dia ireo kamiao lehibe mpitondra entana. fiarabe izay efa mivesatra entana hatrany ambony tafo, etsy anefa mbola mitondra olona tsy latsaky ny 40 any ho any. Samy miditra mifaneritery ao anaty kamiao ao. Koa raha sanatria misy ny loza dia azo sary an-tsaina amin'izany ny mety ho fahavoazana.
 - Fanafihana RN4, mitohy ny famotorana. Mitohy ny fanadihadiana mikasika ilay fanafihana fiara teny amin'ny faritra Ankazobe tamin'ny alatsinainy maraina. Fantatra amin'izao fotoana izao fa nohenoin'ny mpitandro filaminana ny mpamily ilay fiara. Very tamin'io fanafihana io ny vola sy ny entana rehetra saika hoentina aty an-drneivohitra.
 - Antsirabe, faty tao Andranomaimbo. Fatin-dehilahy iray no hitan'ny olona nitsingevana teny Andranomaimbo tamin'ny sabotsy teo. Araka ny filazan'ny fianakaviana dia efa tsy nody ity olona ity ny zoma. Tsy nisy ratra na zavatra hafa mety ho nitarika ny fahafatesany hita tamin'ny vatany. Nisy kosa ireo nilaza fa an-keviny mamo izy no nianjera tao ka tsy afa-niala.
 - Matin'ny afon-tsaribao. Tovolahy iray, 20 taona, mbola mpianatra no maty tao an-tranony tany Soanindrariny Antsirabe, tamin'ny herinandro lasa teo. Ny fandinihan'ny dokotera no nahalalana fa maty sempotry ny afon-tsaribao izy io.
r.s./Lova 


1881midi-mg-002196-3424-16042008 Voaheloka mandra-pahafatiny i  Bôlô 
VONOAN'OLONA. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha vonoan'olona miaro halatra tao amin'ny TSFm tamin'ny volana jona 2007.
Voaheloka mandra-pahafatiny i  Bôlô 
Hiasa an-terivozona mandra-pahafaty. Io no sazy nomen'ny Fitsarana an'i Bôlô, ilay mpiambina tao amin'ny TSFm, voampanga ho nangalatra sy namono olona. Omaly izy sy ny namany roalahy no niatrika Fitsarana. Sazy mihantona 3 taona sy sazy mihatra 30 volana no azon'ireo namany roalahy, izay voampanga ho nandray ireo fanitso halatra sy nanao faktiora sandoka.
Toy izao ny fandehan'ny raharaha. Mpiambina ao amin'ny orinasa TSFm etsy Ambatoroka i Bôlô.  Ny harivan'ny zoma 22 jona tamin'ny taon-dasa dia nangalatra fanitso tao amin'io orinasa io izy ary namono nahafaty mpiasa vavy iray. Novetavetainy ilay tovovavy mialoha ny namonoany azy. Notsatohany antsy avy eo ary novelesiny tamin'ny maritoa ny fihirifany. Rehefa vita ny nataony tamin'ilay tovovavy dia natsentsiny ny fivaviany ny silipony. Nandritra ny fotoam-pitsarana dia niaiky tanteraka i Bôlô fa nataony izany rehetra izany, saingy araka ny nambarany dia toa nisy fanahy ratsy nanosika azy. Nanamafy izany koa ny anabaviny ary nilaza fa olona tsotra izy ary tsy mpanao izany fa tena fanahy ratsy tokoa no nanosika azy. Taorian'ny namonoan'i Bôlô ilay mpiasa tao ambony dia nidina tao ambany izy saika hamono mpiasa vavy iray hafa saingy tsy tanteraka izany. Ny tompon'ny orinasa tonga tao am-piasana ny hariva, tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany, no nahita ny fatin'ilay tovovavy nitsirara tamin'ny tany ary nampandre ny mpitanro ny filaminana. Andro vitsy taorian'ny famotorana dia voasambotra avokoa izy telolahy voampanga ireto.



1901midi-mg-002217-3460-17042008 5 lahy nitondra basy, nanafika tanana
Asan-jiolahy.
5 lahy nitondra basy, nanafika tanana
Tamin'ny alin'ny talata hifoha alarobia tokony ho tany amin'ny 11 ora tany ho any, notafihan'ny jiolahy miisa dimy mirongo basy ny tanana iray atao hoe Sarobaratra any Miarinarivo. Vao niditra ny tanana ry zalahy dia napoakany ny basy. Nihorohoro ny mponina ary tsy nisy sahy nivoaka ny trano. Ny alina rahateo tsy mba namana. Tamin'izany no nanararaotan'ireo mpandroba nakana ny omby 29 teo an-tanana. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia ka tratra teny an-dalana ireo dahalo. Voaverina ny omby folo, ny iray kosa novonoin'ireo mpangalatra. Ireo ambiny mbola nentin'ireo jiolahy ihany.
r.s.


1901midi-mg-002218-3461-17042008 Misary kilemaina kanefa mpanendaka
Sinto-mahery.
Misary kilemaina kanefa mpanendaka
Mody mandringa tahaka ireny olona kilemaina ireny ity tovolahy iray. Nony nanandrify ny taxi-be anefa izy dia nosintoniny ny rojo volamenan'ilay ramatoa tao anaty fiara. Raha vao azony ilay firavaka dia iny izy no nihazakazaka nandositra tany anaty elakela-trano. Teny Androvoahangy no niseho ity sinto-mahery ity omaly.
Tsena   moa ny andro ny alarobia. Tomefy olona ny toerana rehetra eo Andravoahangy. Mila tsy hisy hodiavain'ny mpandeha an-tongotra sy ny mpiantsena mihitsy, satria feno mpivarotra avokoa na dia ny eny afovoan-dalana aza. Mitohana araka izany ny fifamoivoizana. Izany indrindra no nararaotin'ity lehilahy ity. Samy tsy nisy nanampo ny rehetra. Izy rahateo moa kilemaina. Hay moa ity izy ka olona matanjaka be tokoa. Maro   rahateo ny elakelatrano azony nandosirana sady efa tena maty paika ny halatra. Raha vao dify any amin'ireny lalankely samihafa ireny mantsy dia tsy ho hita intsony.
Taona maro lasa izay, nalaza ratsy mihitsy Andravoahangy sy   iny Mandialaza iny noho ny nafitsoky ny mpanendaka isan-karazany. Tovolahy tena mbola erotrerony tokoa no manao izany. Manao andiany ry zalahy ary mitondra sabatra. Voaendaka avy hatrany ny firavaka volamena eny ambozona sy eny amin'ny tanana. Mandositra mitsofoka amin'ny elakela-trano izy ireo. Arangarangany ny sabatra ka izay miseho ho sahy manaraka   eo dia asiany tsy misy fihambahambana.
r.s.


1902midi-mg-002220-3463-17042008 Telo lahy manera mpivaro-tena
Ambohitrimanjaka
Telo lahy manera mpivaro-tena
Niakatra fitsarana omaly izy telo lahy voampanga ho manera olona hivaro-tena. Izany hoe rehefa misy olona, izay matetika lehilahy, manatona azy ireo fa mila vehivavy hanaovany ny sitrapony sy ny filany dia lasa izy telo lahy mitady, ary mikarakara ny rendez-vous. Tamin'ity indray mitoraka ity dia polisy miara-mipetraka amin'ny iray tamin'izy telo lahy no nampitady. Ary vehivavy 28 taona, mpanao taxi phone no hitan'izy ireo fa mety amin'ilay polisy. Rehefa raikitra ary ny fifanarahana dia nentiny ilay vehivavy, kinanjo mamo ilay polisy ary tsy raikitra ny raharaha. Tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho fa nitory ity vehivavy ity ary izay no antony niakaran'izy telo lahy ireto teo anatrehan'ny Fitsarana ady heloka be vava tsotra omaly.
Tsy mampino
Nilaza mantsy ramatoa kely fa tsy nanaiky ary tsy nahafantatra izao tetika nataon'izy telo lahy izao fa nentin'ireo ankeriny. Rehefa nandeha anefa ny fitsarana dia toa sarotra ihany ny nino fa nentina ankeriny tokoa ity vehivay ity izay nomarihina fa efa vehivavy lehibe ihany. Nandritra ny fotoam-pitsarana kosa dia niaky izy telolahy fa nanao izany fanerana olona hivaro-tena izany, saingy tsy an-katerena fa misy fifanarahana tsara. Nohafahan'ny fitsarana vokatr'izany izy telo lahy ireto mikasika ity fitanana ankeriny ity saingy nomeny sazy mihantona 5 taona kosa nohon'ny herisetra sy hetraketraka fonosin'izao fanerana olona mivaro-tena izao.
Ony A.  


1902midi-mg-002221-3464-17042008 Any am-ponja ilay mpamily
LOZA TANY AMBOHIMANDROSO
Any am-ponja ilay mpamily
Niatrika ny Fampanoavana tao amin'ny Fitsarana tany Ambatolampy omaly ny mpamily ilay kamiao nahatonga ny loza nahafatesana olona 14 tany Ambohimandroso ny 03 aprily lasa teo. Nanapa-kevitra ny Fitsarana fa hotanana vonjimaika any am-ponja izy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana izay hatao ny 16 jona ho avy izao. Nandritra ny famotorana natao azy no nanamafisany fa tsy nisotro toaka izy nandritra ny dia. Nilaza ihany koa izy fa nisy olona saika hanafika azy ka izany no nampikoropaka azy, rehefa nijanona tampoka ilay fiara teo anoloany. Nitondra vola 100 tapitrisa teo ho eo, saika hakana entana mantsy ilay fiara. Ny fizahana ifotony nataon'ny zandary anefa dia nanamarina fa nandeha mafy tokoa ilay fiara. Nanaporofo izany rahateo ny vokatry ny loza. Efa salama tsara io mpamily io amin'izao fotoana izao ka afaka niatrika tsara ny mpanao famotorana. Mbola mitohy kosa ny fikarohan'ny zandary ilay kamiao kely voalaza fa nibahan-dalana ka nahatonga ilay kamiao be hisongona tampoka.
Aina R.


1936midi-mg-002256-3505-18042008 Lasa ny 25 tapitrisa sy ny entana
VAKY NY CASINO. Tsy tao ny mpiambina, nataon'ny jiolahy najifa ny entana sy ny volabe. Ahiana ho mpiray tsikombakomba izy.
Lasa ny 25 tapitrisa sy ny entana
Novakian'ny jiolahy ny trano filalaovana iray tetsy Betongolo ny tolakandron'ny alahady lasa teo. Tsy nisokatra ilay trano filalaovana tamin'io fotoana io, fa nisy mpiambina napetraky ny tompony tao. Tokony ho tamin'ny 2 tolakandro teo anefa dia lasa nivoaka ilay mpiambina ary navelany teo ny trano. Tonga izy ny hariva tamin'ny 6 ora, io ny trano fa efa vaky, ary tsy hita tao intsony ny vola manodidina ny 25 tapitrisa sy ny fitaovana sasantsasany. Nanana fotoana malalaka mihitsy ireo mpamaky trano nitaomana ny entana sy nikarohana ilay vola izay nipirina tao anaty vata sarihana. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana saingy tsy mbola nahitam-bokany ny fikarohana natao.
Mpiray tsikombakomba
Ahiana ho mpiray tsikombakomba amin'ireo mpamaky trano ilay mpiambina. Ny fialany tao amin'ny toeram-piasana mantsy dia toa midika ho fanomezana vahana ireo mpangalatra. Toerana izay fantany tsara fa misy fitaovana sarobidy sy volabe. Nandà hatrany izany fiampangana izany anefa ny tenany nandritra ny famotorana natao. Izy ihany aloha hatramin'izao no olona tazonin'ny mpitandro filaminana amin'izao fahavakisan'ny trano izao fa tsy mbola misy olona tratra. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana. Misy zavatra hafahafa ihany amin'ity raharaha ity, satria volabe izany ve dia havela fotsiny ao an-trano amin'ny andro alahady. Anjaran'ny mpanao famotorana ny manamarina izany.



1936midi-mg-002257-3506-18042008 Voasambotra tany Mahambo Rasta
Fandrobana fiaran'ny Toyota Raseta
Voasambotra tany Mahambo Rasta
Voasambotry ny polisy avy ao amin'ny SCAC Anosy tany Mahambo Foulpointe tamin'ny alarobia teo i Vonjy, antsoina hoe Rasta, iray tamin'ireo roalahy nitondra  scooter  nanakana sy nanambana basy ny fiaran'ny orinasa Toyota Raseta teny Tsaralalàna tamin'ny 4 aprily teo. Handeha hanatitra vola any amin'ny banky any Antsahavola io fiara io tamin'izay fotoana izay. Nahatratra hatrany amin'ny Ar 1 lavitrisa no lasan-dry zalahy tamin'iny, vola sy taratasim-bola io. Ny fitsongoana dia nataon'ny polisy no nahatratrarana azy. Niaraka nirevirevy tamina vehivavy izy tamin'ny fotoana nahasamborana azy. Ny namany antsoina hoe Guytou na Andry dia efa tratra teny Andravoahangy tamin'ny 9 aprily niaraka tamin'ny atidoha nikotrika ny halatra izay tsy iza fa ny comptable ao amin'ny orinasa ihany. Izy no nampahafantatra azy roalahy ny fisian'ny volabe ho aterina any amin'ny banky. Rehefa vita ny fandrobana ka natao ny fizarana ny vola, dia izy io ihany koa no nahazo ny ampahany betsaka indrindra. Ny an'ireo mpanatanteraka kosa dia teo amin'ny Ar 12 tapitrisa teo avy.



1936midi-mg-002258-3507-18042008 Naratra mafy izy mianaka
Carion
Naratra mafy izy mianaka
Ramatoa iray niaraka tamin'ny zanany no naratra mafy, ny 15 aprily lasa teo tany Carion-Manjakandriana. Toy izao ny fandehan'ny tantara. Tamin'ny fito ora maraina tamin'io andro io, dia nisy fiara Toyota iray nizotra tamin'iny RN2 iny, avy aty Antananarivo ary handeha ho any Ambanitsena. Nandeha tamin'ny sisin'ny arabe izy mianaka. Tampoka teo anefa niampita ilay zaza. Nihazakazaka namonjy an-janany ramatoa. Noho ny hatairan'ilay mpamily dia niara-voadona izy mianaka. Naratra mafy vokatr'izany izy ireo ary nentina niakatra taty amin'ny HJRA. Mbola tsy nandrenesam-baovao ny amin'ny fivoaran'ny toe-pahasalaman'izy ireo. Ny Poste Avancé-n'ny zandarmariam-pirenena eo Ambohimangakely no miandraikitra ny famotorana.
Ony A. 


1936midi-mg-002259-3508-18042008 Zaza roa maty an-drano
Fenoarivo
Zaza roa maty an-drano
Ankizy lahy roa no maty an-drano teny amin'ny tanàna atao hoe Antsahabe, Fenoarivo Atsimondrano. Tamin'ny alarobia lasa teo no niseho ny loza. Nandeha nilomano ireto ankizy ireto. Lasa tany amin'ny lalina anefa ny iray. Raha nahita izany ilay namany dia niezaka nanavotra azy. Niara-lasa tany anefa izy ireo ary dia izao nindaosin'ny fahafatesana izao.
Mpinamana ireto ankizy ireto, ny iray 9 taona ary ny faharoa 10 taona. Olona nahita azy ireo nandro teo amin'ilay rano no nampandre ny mpitandro filaminana. Nandeha ny fikarohana ka tamin'io andro io ihany dia hita ny razana.
Efa tonga teny an-toerana ny zandary sy ny dokotera nanao ny fizahana ifotony ny fandehan-javatra ary nanamarina fa fahasemporana tany anaty rano no nitarika ny fahafatesan'izy roalahy.



1936midi-mg-002260-3509-18042008 Jiolahy mirongo basy manendaka
ANDREFAN'AMBOHIJANAHARY
Jiolahy mirongo basy manendaka
Misy jiolahy mirongo basy sy sabatra manendaka eny Andrefan'Ambohijanahary, ambadiky ny Toby Ratsimandrava. Afak'omaly alina dia mpivarotra mofogasy handeha hody no notafihin'izy fito lahy ka lasa tamin'izany ny vola 1 tapitrisa sy fitaovana vitsivitsy. Nodarohan'izy ireo ihany koa ilay rangahy ka naratra mafy. Afaka nandositra sy niantso vonjy ihany anefa izy. Fahasahiana tokoa ny an'ireo mpangalatra satria vao amin'ny 8 ora sy sasany alina no nanatanterahany an'io fanendahana io ary tao ambadiky ny tobin'ny zandary. Eo amin'ny fiantsonan'ny taxi-be, manoloana ny Toby Ratsimandrava ireo jiolahy no mifamotoana, sady mitily izay olona miditra any an'elakela-trano any. Efa maro ny fitarainana tonga eny amin'ny mpitandro filaminana saingy mbola miriaria eny foana ireo jiolahy.



1936midi-mg-002261-3510-18042008 Marary tsy mahatsiaro tena ilay zandary
Fitifirana tsy nahy
Marary tsy mahatsiaro tena ilay zandary
Manaraka fitsaboana any amin'ny hopitlay hatramin'izao ilay zandary iray nahavoatifitra tsy nahy ny namany teny Ivato tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Araka ny vaovao voaray, tsy mahatsiaro tena izy ary tsy afaka miteny mihitsy. Tsy mihiratra ihany koa ny masony. Misy voa mihitsy aza ny sainy, araka ny vaovao. Nitondra fahavoazana lalina ho azy iny zavatra iny.
Raha tsahivina ny zava-niseho tamin'io andro io dia sahala amin'izao: olona efatra izy ireo no niaraka. Sivily sy miaramila. Samy niseho ho mahay mandrava sy mandrafitra basy avokoa. Dia raikitra teo ny fanamby. Samy nahavita avokoa ireo teo aloha. Ilay zandary no nanao izany farany. Tsy fantatra anefa izay tena fandehan-javatra fa adinony ny nanala ny bala tao amin'ilay basy. Natondroiny teny amin'ny kibon'ilay namany ary voakitika ka nipoaka tsy nahy. Avy hatrany dia niantefa teo amin'ny ambavafon'ilay namany ny bala ka niteraka fahafatesana ho azy.



1980midi-mg-002306-3564-19042008 4 lahy nitondra basy nandroba sinoa
Asan-jiolahy.
4 lahy nitondra basy nandroba sinoa
Omaly tokony ho tany amin'ny 4 ora latsaka tany dia tonga nandroba tao amina fivarotana ana sinoa teny Ambalavao ny bandy miisa efatra. Voalaza fa nitondra basy izy ireo. Efa tena tsara omana tokoa ity fanafihana ity. Raha vao tafiditra izy ireo dia noraofina daholo ny vola maty nandritry ny indray andro. Rehefa izany dia lasa nandeha ireto jiolahy ireto. Ny roa nandositra nanaraka ny lalana manoloana ny biraon'ny fokontany. Ny roa hafa niditra elakelatrano.
Tsy niditra tao anaty fivarotana daholo ry zalahy fa ny roa niambina teo ivelany ary ny roa hafa tao anaty fivarotana. Nambanany basy ny olona rehetra tao an-trano ary nasainy nihondrika mba tsy hahita ny endriny. Voalaza fa nanao saron-tava ny iray.
Ny   vaovao ihany no nahalalana fa nisy mpitandro filaminana mpanondro lalana ihany teo ivelany teo fa toa hoe nambanan-dry zalahy basy ka tsy sahy nihetsika. Vao nahare ny fanafihana ny mpivarotra rehetra teny Isotry dia tapitra nanidy tsena avokoa.
r.s.


1981midi-mg-002308-3566-19042008 Vazaha efatra any am-ponja
RONGONY SY DROGUE
Vazaha efatra any am-ponja
Teratany frantsay telolahy, sy maorisiana iray no nalefa vonjimaika eny Antanimora omaly rehefa avy natao famotorana tany amin'ny mpitandro filaminana sy ny Fampanoavana. Fitazonana sy fifohana rongony sy drogue no antony nitazonana azy ireo. Ny 6 avrily lasa teo no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny sampana miady amin'ny zava-mahadomelina teny Antaninarenina ilay teratany maorisiana. Ary izy io avy eo no nanondro ireo telolahy namany, izay tsy iza fa vazaha mpitantana trano fandihizana malaza eto an-drenivohitra sy ny zanany lahy ary mpitantana orinasa lehibe iray. Araka ny nambaran'ilay maorisiana dia ireo no mpamatsy rongony sy zava-mahadomelina azy. Ny 17 aprily kosa no voasambotra ireo frantsay telo ireo. Nandritra ny fisavana natao dia nahatratrarana cocaïne 2 grama izay mitentina 3 tapitrisa sy rongony tanaty fonosana tany amin'izy ireo. Tsy vao izao ireto frantsay ireto no nahatratrarana rongony, araka ny nambaran'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny polisim-pirenena. Vaovao avy any koa no nahalalana fa mbola misy olona hosamborina any Toliara. Izy io no tena mpamatsy azy ireo. Ankoatra izay, dia mbola hanao hetsika manokana mihitsy ry zareo avy ao amin'ny sampana miady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny polisim-pirenena ato ho ato ary hitety ireo trano fandihizana rehetra eto an-drenivohitra.
Raha iverenana ny momba ilay teratany maorisiana, dia efa isan'ny nitantana orinasa lehibe teto andrenivohitra izy, ary manana ny zom-pirenena Malagasy. Tany aminny no nahatratrarana ilay drogue dure izay tena lafo vidy tokoa ary tsy fahita eto amintsika. Nalefa eny Antanimora aloha izy efadahy miandry ny fotoam-pitsarana.
Aina R.


1996midi-mg-002324-3587-21042008 Ramatoa voaroba 55 tapitrisa Ia.
TSIADANA. Efa nandrasan'ireo jiolahy ny fahatongavan'ilay renim-pianakaviana avy naka vola. Nambanany tamin'ny basy ka lasa ny volabe.
Ramatoa voaroba 55 tapitrisa Ia.
Fanafihan-jiolahy niseho tetsy Tsiadana ny harivan'ny zoma lasa teo. Ramatoa avy naka vola tany amin'ny banky no notafihin'ny jiolahy mirongo basy sy sabatra. Lasa ny 55 tapitrisa Ia.
Karazan'ny efa nomanina ihany ny fanafihana satria fantatr'ireo jiolahy tsara na ny fotoana ahatongavan'ilay ramatoa avy naka ny vola, na ny trano hodiany. Avy naka vola tany amin'ny banky, vola izay vao nalefan'olona ho azy ilay renim-pianakaviana, ny harivan'ny zoma teo. Teny an-dalam-podiana, efa hiditra ny trano anefa no nobahanan'ny jiolahy mirongo basy sy sabatra ny lalany. Noteren'ireo jiolahy izy hanome ny vola. Nambanan'izy ireo basy ary norahonany hotifirina. Nirifatra nandositra izy ireo vao azony ny vola. Soa fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana.
Nanjavona
Ilay niharam-boina kosa niantso vonjy, saingy efa lasa lavitra ireo jiolahy ka tsy hita izay nanjavonany. Efa nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ary efa mandeha ny fikarohana. Faritra isan'ny atahorana sy voakilasy ao anatin'ny faritra mena eto an-drenivohitra iny faritr'i Tsiadana iny. Saika ahenoana vaky trano sy fanafihana eny isan'andro. Ireo jiolahy voasambotra amin'ny resaka fanafihana amin'iny boriborintany faharoa iny dia jiolahy avy amin'iny faritra iny daholo. Ny faritr'Ambatoroka, Tsiadana, Ankatso sy Ambanidia no tena mahita faisana. Manaporofo izany ity fanafihana mitam-basy vao niseho tamin'ny zoma hariva ity.



1997midi-mg-002326-3589-21042008 Lozam-pifamoivoizana nifanesy
FARAN'NY HERINANDRO
Lozam-pifamoivoizana nifanesy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nifanesy teto amintsika ny faran'ny herinandro teo. Ny voalohany dia niseho tany Ambohimangakely (RN2) omaly tamin'ny 9 ora sy sasany maraina. Ankizy mianadahy, 8 sy 9 taona, nivarotra goavy teo amoron-dalana no nofaohin'ny kamiao. Naratra mafy avokoa izy mianadahy ka nalefa eny amin'ny hopitaly. Nisongona fiara ilay kamiao no nifanena tampoka tamina fiara hafa avy eo anoloany. Hany heriny dia nivily nivoaka ny lalana ka izany no nahavoadoana azy mianadahy.. Ilay tovolahy kely voa teo amin'ny lohany, ary ilay zazavavy ny tanany sy ny feny ary ny fivaviany no tena voa mafy. Efa manao ny famotorana mikasika ity loza ity ny mpitandro filaminana.
Ambohimandroso
Loza iray hafa koa niseho tany Andriambilany Ambohimandroso (RN7), omaly tokony ho tamin'ny 12 ora latsaka. Taxi-brousse nisongona fiara tao anaty fiolahana sady fiakarana no nifanehatra tamina fiara iray hafa. Nalatsak'ilay mpamily tany amin'ny sisin-dalana ilay fiara ary nivadika. Vokany, olona 5 naratra mafy. Nisy tamin'izy ireo no mpianaka. Nisy teratany vahiny ihany koa tao anatin'ity fiara niharan-doza ity.
Tsiadana
Farany dia loza niseho tetsy Tsiadana omaly antoandro. Fiara Polo no nandona olona teo an-tampom-piakarana ho any Ankatso. Noho ny fialany ilay mpandeha dia nidona tamin'ny trottoir manasaraka ny lalana miakatra sy midina ilay fiara. Efa nalefa eny amin'ny hopitaly ilay naratra, izay tena voa mafy tokoa.



2009midi-mg-002340-3605-22042008 Rongony roa sarety sarona
Zava-mahadomelina
Rongony roa sarety sarona
Tratran'ny zandary avy ao amin'ny Poste Avancé Ambohitompoina any Antanifotsy ny sarety roa feno rongony milanja 670 kg. Ny talata teo tamin'ny 6 ora maraina no nahasaronana izany tany amin'ny tanàna atao hoe Ambatolampikely. Olona telo no voarohirohy amin'ity zavatra ity, mpivady sy ny naman'izy ireo iray hafa. Ireo mpivady ireo no efa voasambotra, mbola karohina kosa ilay fahatelo. Nahitana voan-drongony tapa-gony ihany koa tao anatin'ilay sarety.
Fiaraha-miasa teo amin'ny fokonolona sy ny zandary no nahazoana izao vokatra izao. Saika ho alefa aty Antananarivo ireto rongony ireto. Ireo voany kosa nokasaina hambolena any amin'ny faritra ambanivohitra any. Efa tamin'ny taona 2006 no nikarohana ireto mpivarotra sy mpamboly rongony ireto. Izao anefa ry zareo vao tratra.
Efa nodorana ireo zava-mahadomelina ireo, teo anatrehan'ny tompony sy ny fokonolona. Ireo mpandika lalàna kosa dia tanana am-ponja vonjimaika rehefa avy natao famotorana.
Nitondra fisaorana manokana ho an'ireo rehetra nanampy ny zandary ny Lietnà Rajaoson, Officier coordonateur ny zandary ao Atanifotsy, tamin'ny fifanomezan-tanana hampanjakana ny fandriam-pahalemana sy ny famongorana ny zava-mahadomelina.
Lova


2009midi-mg-002341-3606-22042008 Lehilahy voaendaka volamena tetsy Ankadifotsy
ASAN-JIOLAHY. Faritra anisan'ny anjakan'ny endaka vao maraina ny faritra maro eto an-drenivohitra. Lasibatra ny firavaka volamena.
Lehilahy voaendaka volamena tetsy Ankadifotsy
Omaly maraina tokony ho tamin'ny 7 ora, raha variana nipetraka tao anaty fiara ny lehilahy iray no indreny nisy bandy roalahy nanatona azy ary avy hatrany dia nanambana basy. Ny haka ny firavaka volamena teny amin'ilay olona no tetik'ireto mpanendaka ireto. Lasan'ireo mpanendaka ny gourmette teny aminy. Raha vao azony izany dia nandositra nihazo ny elakela-trano mihazo an'i Mandialaza izy ireo.
Efa maro ny mpandeha amin'izany ora izany. Niandry olona tao anaty fiarany ity olona voaendaka ity. Hitan'ireo jiolahy ny firavaka teny amin'ny tanany ka io nendahany io. Tao anatin'ny herinandro maromaro dia indroa no naharenesana fanendahana firavaka teny amin'iny faritra iny. Tsy dia mifanalavitra ny toerana. Ny mahavariana dia efa vosambotra ireo bandy teo aloha. Izao anefa, misy andiany hafa tonga indray.
Miverina ny fanendahana firavaka. Tamin'ny alarobia teo dia ramatoa nandeha taxi-be no lasibatry ny mpanendaka teny Andravoahangy. Nandritra ny fitohanan'ny lalana no nisintonany ny firavaka teny amin'ilay vehivavy dia nirifatra nandositra izy.
r.s.


2012midi-mg-002345-3610-22042008 5 ans fermes pour le maire sortant
Maroantsetra
5 ans fermes pour le maire sortant
Le maire sortant de la ville de Maroantsetra, Razakandrojy Milizara, son deuxième adjoint et le régisseur de recettes ont été jugés, jeudi dernier, au tribunal de Première instance, de ladite ville. Ils étaient accusés d'avoir procédé au détournement   de deniers publics s'élevant   à 10 millions d'ariary.   Outre l'ancien maire et ses deux collègues, six autres personnes ont été également impliquées dans cette affaire. Le verdict est tombé, 5 ans d'emprisonnement fermes pour l'ancien maire et 2 ans chacun pour son adjoint et le régisseur de recettes. Le reste a été relaxé. 
Rémi R.
Politique 

2037midi-mg-002371-3637-23042008 Polibrèves
Polibrèves
Conseil restreint hier matin à Iavoloha. Comme la semaine dernière, juste quelques membres du gouvernement se sont réunis avec le Président de la République.
Politique 

2038midi-mg-002373-3639-23042008 Mirongatra ny halatra kaontera
Manjakaray. Fitarainana marobe no indray tonga noho ny halatra kaontera eny amin'ny boriborin-tany fahatelo.
Mirongatra ny halatra kaontera
Kaonteran-jiro miisa efatra no indray tsy hita tao anatin'ny iray andro tetsy Manjakaray. Tokantrano efatra samihafa ihany koa, mifanaraka amin'izay, no nametraka ny fitoriany teny anivon'ny mpitandro ny filaminana momba io halatra io. Manambara izany fa mirongatra ny halatra kaontera eny amin'ny boriborin-tany fahatelo. Ireo disjoncteur no tena lasibatry ny jiolahy raha araka ny fantatra. Ary mazava loatra fa ireo kaontera mipetraka ety an-tokontany no matetika lasan'ireo olon-dratsy. Mandeha ny fikarohana an'ireo farany amin'izao fotoana izao. Mifandraika amin'ity resaka asan-jiolahy ity ihany dia fantatra koa fa olona maromaro no indray natolotra ny Fampanoavana omaly rehefa voarohirohy tamin'ny halatra fil an'ny Jirama. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo rehefa nohenoin'ny Fampanoavana.
Tambajotra
Ireo tranga roa ireo dia manamafy hatrany fa tena misy ny tambajotra momba ny halatra vy eto amintsika. Tsy nisy nandà izany rahateo ireo orinasa tena matetika lasibatra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny Telma izay nanambara mazava fa efa tafakatra amina miliara ny fatiantoky ny orinasa noho ny fahaverezan'ny fil  ampiasainy. Na ny marimarina kokoa noho ny halatra fil izay nianjady taminy. Indrindra moa fa tamin'iny faritra atsinanan'ny nosy iny izay efa amina kilaometra maro ny tariby lasan'ny olon-dratsy. Tsy ambanin'izany ihany koa ny an'ny Jirama. Nisy fotoana aza moa dia nitarika ny fahatapahan-jiro io halatra tariby io. Izany hoe efa tena misy fiantraikany amin'ny fiarahamonina izany. Rariny loatra raha nampitandrina ny Praiministra fa tsy ho moramora ny hahazo ireo olon-dratsy mpangalatra tariby.
D.R 


2038midi-mg-002374-3640-23042008 Rangahy 75 taona, maty nokendaina tamin'ny tady
FIADANANA
Rangahy 75 taona, maty nokendaina tamin'ny tady
Vatana lehilahy lehibe iray, feno ratra sy efa tsy misy aina no hita tao anaty kirihitra sosety omaly tany Fiadanana, Manjakandriana. Olona handeha haka sosety no nahita ilay razana, tokony ho tamin'ny 12 ora latsaka fahefany teo. Toerana tsy dia lavitra ny trano fonenan'ity rangahy ity ihany io toerana nahitana azy ity. Manodidina ny 75 taona eo ilay rangahy. Mpiasan'ny hopitaly teo aloha izy ary na dia efa nisotro ronono tamin'ny asam-panjakana aza dia mbola nampianatra tamina sekoly tsy miankina ihany koa. Handeha haka ny vola fisotroan-drononony no nialany tao an-trano afak'omaly, ary dia izao hita faty tao anaty sosety izao. Nampandrenesina avy hatrany ny dokotera sy ny mpitandro filaminana ary ny tomponandraikitra teo an-tanàna.
Rehefa natao ny fizahana ifotony ilay razana dia hita fa mivonto ny masony ary maratra ny vavany. Hita ihany koa fa maty nokendaina tamin'ny tady ilay rangahy. Araka ny tombatomban'ireo mpanao fizahana dia ireny tady nylon fanahazan-damba ireny no nanakendana azy.
Hatreto aloha dia ny fakana ny vola fisotroan-dronono tany amin'ilay rangahy no heverina ho mety ho antony namonoana azy. Tsy mionona amin'izay anefa ny mpanao famotorana fa miezaka mitady izay mety ho antony marina. Mampiahiahy azy ireo koa mantsy ny fahitana ny razana tsy dia lavitra lavitra loatra ny tranony. Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nisy ny olona voasambotra mikasika ity vonoan'olona ity.



2038midi-mg-002375-3641-23042008 Nentiny nandositra ny basy MAS 36
Ihosy
Nentiny nandositra ny basy MAS 36
Ezaka maro no vitan'ny zandary any amin'ny kaompania Ihosy. Tratra ihany ilay jiolahy rain-dahiny iray izay nitondra nitsoaka nandositra ny basy MAS 36 tao amin'ny toerana nitazonana azy. Basy anisan'ny mahery vaika tokoa na dia somary efa tranainy ihany aza. Raha vao fantatra ny fandehan-javatra dia natao ny fikarohana. Tamin'ny faha-12 aprily teo izy no vosambotra ary voaverina ihany koa ny basy. Rehefa vita ny famotorana azy dia nalefa vonjy maika any am-ponja aloha izy miandry ny fitsarana azy.
Ny zavatra faharoa nahitana fahombiaza dia ny ny nahatafaverenana ny omby miisa 30 nangalarin'ny dahalo tamin'ny faha-18 aprily teo tany amin'ny tanana atao hoe Sahambano Zazafotsy. Rehefa natao ny fanarahan-dia niarahan'ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona dia vaky tady nandositra ireo mpangalatra. Tsy nisy voasambotra izy ireo. Mitohy tsy mijanona ny fikarohana azy ireo.
Maro ny zavatra efa vitan'ny mpitandro filaminana any amin'iny faritr'Ihosy iny. Manentana ny fokonolona hatrany izy ireo mba hanome vaovao marina sy haingana ahatratrarana ny tanjona : hampandriana fahalemana ny any ambanivohitra rehetra any.



2038midi-mg-002376-3642-23042008 Tapatapany
Tapatapany
. Razana folo, tsy fantatra anarana, ary tsy mbola nisy naka, no tazonina ao amin'ny tranom-patin'ny Hjra, amin'izao fotoana izao. Raha araka ny fantatra dia namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana ny ankamaroan'izy ireo. Nitsoaka ny saofera tomponandraikitra tamin'ny sasantsasany amin'ireo tranga. Ny ambiny kosa dia maty an-drano, raha araka ny fanadihadiana tsotsotra natao teo anivon'io toeram-pitsaboana io ihany. Efa tsy ho ela intsony izy ireo dia halevina eny amin'ny fasana iombonana etsy Anjanahary.
. Hatao amin'ity herinandro ity, ary saika raikitra omaly aza izany raha araka ny fantatra, ny famerenana ny halatra basy tetsy amin'ny tobin'ny RTS tamin'ny volana novambra lasa teo.
. Legionnaire gasy namono nahafaty ny zanany ? Nandeha ny feo saingy mbola tsy voamarina aloha hatreto ny momba izany. Raha ny re dia tao Frantsa no nisehoan'izany. Ho hita manaraka eo ihany ny mety ho fahamarinan'ny resaka.
Nangonin' I D.R 


2038midi-mg-002377-3643-23042008 Iray maty, iray naratra mafy
Nitifitra ireo mpanafika
Iray maty, iray naratra mafy
Fanafihan-dahalo tany Andranomalaza, fenoarivobe, faritra Bongolava ny 20 aprily lasa teo. Miisa folo ireo mpanafika ary mirongo basy sy lefona ary famaky. Lasan'izy ireo tamin'izany ny omby miisa 25. nanao fanarahan-dia ny fonkonolona ka raha vao nahita azy ireo ny dahalo dia nanao tifitra variraraka. Olona roa no voan'ny bala ka ny iray namoy ny ainy, fa ny iray kosa naratra mafy ary mbola tsaboina any amin'ny hopitaly hatramin'izao. Taorian'izay fifandonana izay dia nampandrenesina ny zandary ary tonga nanampy ireo fonkonolona. Mbola tratra teny an-dalana ireo mpangalatra omby ka raikitra ny fifanenjehana. Nirifatra nandositra izy ireo niaraka tamin'ny omby vitsivitsy. Ny omby 17 tamin'ireo 25 very kosa tafaverina soa aman-tsara tamin'ny tompony.
Mbola manohy ny fikarohana ireo 10 lahy nanafika ireo ny mpitandro filaminana any an-toerana amin'izao fotoana izao.



2038midi-mg-002378-3644-23042008 Zaza nokendaina tamina &quot;bavoir&quot;
ANTSIRABE. Zavatra tsy takatry ny saina no vitan'ny olona sasany. Ireny mihitsy no lazaina fa tsy matahotra an'Andriamanitra.
Zaza nokendaina tamina bavoir
Akory ny hatairan'ireto ankizy mpitsindroka fako nahita zavatra nifona tsara tao anaty sachet. Tsy naharitra izy ireo nijery. Vao mainka nitombo ny hagagany. indro fatin-jazakely mifatotra tamina bavoir no tao. Avy hatrany dia lasa nampandre ny manodidina izy ireo.
Tamin'ny alatsinainy teo no nisehoan'izany tany Antsirabe. Tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany iny no nisy olona nanosika borety nanary fako teo amin'ilay toerana. Raha vao voararaka ny fako dia lasa nandeha haingana  izy. Tamin'izay no nahitan'ireto mpitsondoka ilay fonosana.
Rehefa tonga teny an-toerana ny tomponandrikitra isan-tsokajiny nijery ny zava nisy dia fantatra fa zaza voa teraka io nampijaliana io. Mbola tafaraka tao anaty fonosana mantsy ny tadimpoitrany. Ny avy ao amin'ny BMH no nanamafy izany.
Tsy nangataka andro fa avy hatrany dia niroso tamin'ny fanadihadiana ny polisy. Araka ny maha mpitsondroka azy anefa, toa natahotra ireo ankizy nahita ity zavatra ka tsy niandry teo fa lasa nandositra.
Nandray ny andraikiny ny fokonolona tamin'ny fikarakarana ny razana. Samy niray feo koa anefa fa tsy maintsy ho hita izay nanao izao. Toa tsy mino anefa ry zareo fa olona teo amin'ny fokontany ihany no namono sy nanary io zaza io fa tsy maintsy ho olona avy any ivelany.
Matetika no handrenesana zaza menavava misy manary amin'ny toerana maro eto Antsirabe. Sahala amin'izany ilay teny akaikin'i Tsivatrinikamo, herinandro maro lasa izay. Ny hany nolazain'ilay reniny dia hoe tsy velony ilay izy fa sarotra ny fiainana.
Lova 
Lire aussi - Fiadanana : Rangahy 75 taona, maty nokendaina tamin'ny tady - Ihosy : Nentiny nandositra ny basy MAS 36 - Tapatapany - Nitifitra ireo mpanafika : Iray maty, iray naratra mafy 


2067midi-mg-002408-3681-24042008 Mpitrandraka vy 3 lahy maty an-dranomasina
TOAMASINA
Mpitrandraka vy 3 lahy maty an-dranomasina
Loza niseho tany Toamasina ny alahady lasa teo. Mpitrandaka vy telolahy no maty nalentiky ny ranomasina. Ny iray no efa hita faty, mbola tsy hita kosa ny roa. Avy naka vy tany ambany ranomasina teny amina nosikely iray tsy dia lavitra an'i Toamasina izy telolahy ireto ny zoma lasa teo rehefa avy nahazo alalana avy amin'ny tomponandraikitra. Feno ny sambolely nentiny ary teny an-dalam-podiana izy ireo no izao niharan-doza izao. Nilentika ilay sambokely ary tsy hita popoka izy telolahy miaraka amin'ny sambo sy ny vy. Omaly vao hita ny fatin'ny iray saingy efa tsy nisy lela, molotra, orona sy sofina. Mbola mitohy ny fikarohana ireo razana roa hafa.
Aina R.


2067midi-mg-002409-3682-24042008 Maty voatifitra ny PCLS
ILAFY
Maty voatifitra ny PCLS
Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha mikasika ilay fanafihana miampy vonoan'olona nitranga teny Andohalo Ilafy ny alin'ny 22 mey 2003, ka nahaverezana entana maro sy nahafaty an'itompokolahy Rakotomanana, PCLS (Président du Comité Local de Sécurité) teny an-toerana tamin'izany fotoana. Tsy tonga tao amin'ny Fitsarana ny mpitory sasantsasany, na izany aza nandeha ihany ny adihevitra. Ny alin'ny 22 mey 2003 no niseho ny fanafihana. Jiolahy enin-dahy mirongo basy no nanafika trano iray. Avy hatrany dia nanao tifitra variraraka izy ireo ary niditra an-keriny tao an-trano. Nalain'izy ireo ny entana sarobidy maro tao an-trano (fahitalavitra, mini-chaîne, baffle, finday, rojo volamena), niaraka tamin'ny vola 10 tapitrisa Ia. Nalainy ihany koa ny lakilen'ny fiara ka iny ihany no nitondrany ireo entana halatra. Niantso vonjy ny tompon-trano ka tonga tao ny fokonolona notarihin'ny PCLS. Mbola nitifitra ihany ireo jiolahy ka tamin'izay no nahavoa ity PCLS ity. Notsaboina roa volana teny amin'ny hopitaly izy ary teny no namoy ny ainy.
Sazy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty miampy onitra no sazin'ny efatra tamin'ireo mpanafika. Ny roalahy hafa kosa sazy hiasa an-terivozona 10 taona miampy fandrarana tsy handia faritany.
Aina R.


2067midi-mg-002410-3683-24042008 Fiarana depiote teo aloha nentina nangalatra
IKALAMAVONY
Fiarana depiote teo aloha nentina nangalatra
Ny alin'ny 22 aprily teo dia nisehoana halatra vato  Tourmaline  tany Ikalamavony. Fiara 4x4 no nentin'ireo jiolahy tamin'izany. Tsy iza no tompon'io fiara io fa ny solombavam-bahoakan'Ambalavao teo aloha. Nampandre ny zandary avy ao amin'ny Brigade Territoriale tao Fianarantsoa ny tomponandraiki-panjakana tany an-toerana ka natao ny fikarohana. Tratra ilay fiara sy ireo enin-dahy nanatontosa ny halatra ary mbola hita tany amin'izy ireo ny vato tourmaline 43 kilao. Rehefa natao ny fisavana ny taratasin'ilay fiara dia voamarina fa tena an'ilay solombavam-bahoaka teo aloha tokoa ilay fiara. Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany izy enin-dahy ary nilaza fa mbola misy an'izany Rakamisy na Rakam's izany any, izay tena atidoha nikotrika ny fanafihana. Efa eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra na hosamborina na tsia ilay solombavam-bahoaka teo aloha tompon'ilay fiara. Matoa mantsy nampiasain'ireo jiolahy ilay fiara dia nahazoana alalana avy amin'ny tompony. Raha tsy hoe nangalarina angaha. Ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana ihany no hahafantarana izany. Izy enin-dahy voasambotra dia mbola alaina am-bavany ao amin'ny biraon'ny zandary ao Fianarantsoa.
Aina R.


2067midi-mg-002411-3684-25042008 Ramatoa 60 taona mivarotra sy manondrana rongony
ANTSIRABE
Ramatoa 60 taona mivarotra sy manondrana rongony
Tamin'ny talata faha-15 aprily teo no saron'ny mpitandro ny filaminana ny fivarotana rongony ataon'ity ramatoa iray ao Mahazoarivo Avaratra, Antsirabe. Vaovao nangonin'ny polisy efa fotoana ela no nahazoana nijoko ity vehivavy lehibe 60 taona ity.
Tamin'io andro voalaza etsy ambony io, dia tonga tao aminy ny mpitandro ny filaminana, manao fanamiana sivily, mody hividy rongony. Nenti-pahatokisana loatra angamba ramatoa ka dia raikitra ny varotra. Vao nampiseho ilay zavatra anefa izy dia noraisim-potsiny ramatoa.
Nahitana fonosana rongony miisa 30, milanja 350 gr ny iray, tao aminy. Tamin'io fotoana io ihany koa no nahatratrarana lehilahy roa nifoka rongony tao am-pivarotana tao. Ny vaovao no nahalalana fa ilay mpivarotra mihitsy no miteny amin'izay mpanjifa ao aminy ny hifoka izany ao an-trano fa sao dia tratra raha mandeha any ivelany. Ny mahavariana dia ity, efa nigadra noho ny fivarotana rongony io ramatoa io. Tsy izy irery anefa fa ny zanany mianadahy dio manao io antom-pivelomana io ihany koa. Efa any am-pigadrana io ramatoa io. Ilay zanany lahy kosa vao haingana no nivoaka ny fonja.
Io varotra io no lasa fiveloman'izy telo mianaka. Tsy ry zareo ihany anefa fa maro tokoa no manao izany. Vao notaterina teto ny nahatratrarana lehilahy sy vehivavy nitondra rongony roa sarety tany Antanifotsy. Sady mpamboly no mpivarotra izy ireo.
Lova
Ilafy : Maty voatifitra ny PCLS
Toamasina : Mpitrandraka vy 3 lahy maty an-dranomasina


2075midi-mg-002420-3694-24042008 Rabemizana Solo élu président du conseil régional
VAKINANKARATRA. Les quatre membres du Conseil régional sont tous issus du TIM.
Rabemizana Solo élu président du conseil régional
L'élection des membres du bureau du conseil régional de Vakinankaratra a eu lieu, hier. Au cours duquel Rabemizana Solo a été élu président, ex-président du comité régional de Vakinankaratra et issu du TIM Antsirabe. Bakoliarisoa Emilie a été élue, vice-présidente, militante du TIM Faratsiho. Rafenomandimby Jonah du TIM Antanifotsy a ravi le siège du Ier Rapporteur, tandis que celui du 2e Rapporteur a été obtenu par Rakotoniaina Désiré Tinasoa, respectivement membres du TIM Antanifotsy et d'Ambatolampy. Les quatre élus du conseil sont donc ainsi des militants du parti au pouvoir. Notons que 14 votants ont participé à ce scrutin, 8 conseillers régionaux et 6 députés. Cette élection a été suivie par la tenue de la première session des membres du Conseil Régional. Lors de cette séance, l'on a procédé à l'adoption du règlement intérieur. Dans son intervention, le chef de Région sortant, Rabenatoandro Lanto, a invité tout un chacun à changer de méthode de travail, tant sur le plan administratif que sur le plan du développement du Faritra. Le sénateur officieusement élu a prôné, par ailleurs, le dialogue entre les membres du conseil régional et l'exécutif.
Lova / Dominique R.
Politique 

2104midi-mg-002450-3729-25042008 Kaomoriana roa migadra 5 taona
HALATRA
Kaomoriana roa migadra 5 taona
Niakatra fitsarana omaly ny raharaha mahakasika ilay halatra fitaovana informatika tao amin'ny kolejy saint Antoine. Halatra izay niseho ny alin'ny 24 oktobra 2004. olona dimy no voarohirohy tamin'izany, dia ny mpiambina teratany kaomoriana roalahy sy olona telo hafa. Tsy tonga teny amin'ny Fitsarana ireo mpiambina roalahy sy ilay ahiahiana voalohany. Taorian'ny adihevitra dia namoaka didy ny Fitsarana fa migadra 5 taona ireo mpiambina roalahy sy ilay tompon'atoka tamin'ny halatra. Ankoatra izay dia voasazy tsy mahazo mandia faritany ihany koa izy telolahy ireo. Satria tsy mbola hita hatramin'izao ny iray amin'izy telolahy dia namoaka didy fampisamborana azy ihany koa ny Fitsarana. Ireo roalahy hafa, izay isan'ny voarohirohy kosa dia nahazo fahafahana noho ny fisalasalana. Nandritra ny fotoam-pitsarana dia samy nandà ny fiampangana azy ny rehetra. Ny famotorana nataon'ny mpitandro filaminana anefa dia nanamafy fa nisy firaisana tsikombakomba teo amin'ireo mpangalatra sy izy roalahy mpiambina. Efa any am-ponja izy roalahy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay tena atidoha nikotrika hatramin'izao.
Aina R.


2104midi-mg-002451-3730-25042008 Nahazo dispansera vaovao
Polisim-pirenena
Nahazo dispansera vaovao
Aina R.


2104midi-mg-002452-3731-25042008 Fatim-behivavy tsy misy nono sy maso
Fatim-behivavy tsy misy nono sy maso
Nahitana razana feno ratra teny Ambohipotsy (Haute Ville) afak'omaly hariva. Fatim-behivavy izy io, ary manodidina ny 45 taona eo ho eo. Ny tena nanaitra tamin'ny fahitana azy dia izy tsy nisy nono sy maso intsony, ary feno dian'antsy ny tanany. Tao anaty lavaka, ambadiky ny chalet fipetrapetrahana no nahitana ilay razana, ary olona sendra nandalo ka naheno ny fofona no nahita azy. Nampandrenesina avy hatrany ny komitim-pokontany, ary ireo indray avy eo no niantso ny polisy sy ny dokotera nanao ny fizahana rehetra. Nentina teny amin'ny tranom-patin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), Ampefiloha ny razana, ary teny no tena natao ny fizahana ifotony. Hita ary fa maty novonoina ity ramatoa ity. Norasarasaina tamin'ny antsy ary novelesina tamin-javatra ny lohany sy ny tratrany.  
Tsy hita  
Efa hatramin'ny alatsinainy no tsy nahitan'ny fianakaviany ity ramatoa ity. Efa nanao fikarohana izy ireo saingy tsy nahitam-bokany izany. Nandalo tany an-tranon-dray aman-dreniny izy tamin'io andro io ary tsy tazana intsony avy eo, ary dia izao hita faty teny Ambohipotsy izao. Na dia efa potika sy nohanin'ny alika azan y tarehiny dia nahafantatra azy avy hatrany ny fianakaviany raha nijery ny razana teny amin'ny tranom-paty. Manambady ity ramatoa ity, ary monina eny Andohamandry   eny. Efa misy ny famotorana mandeha amin'izao fotoana izao, ary efa miroso amin'ny fakana am-bavany ny mpitandro filaminana. Efa misy ihany koa ny olona ahiahiana, saingy hatramin'izao aloha tsy mbola nisy ny olona voasambotra. Tsy mbola mazava aloha na asan-jiolahy izao, na misy ambadika hafa. Ny valin'ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana ihany no hahalalana ny marina rehetra.
r.s


2115midi-mg-002464-3749-26042008 Fiara roa voatafika teny amin'ny RN-1, voatifitra ny mpamily
Asan-jiolahy
Fiara roa voatafika teny amin'ny RN-1, voatifitra ny mpamily
Omaly zoma maraina be dia fiara roa no fantatra fa notafihan'ny mpanakan-dalana tamin'iny lalam-pirenena voalohany iny. Volabe tokoa no lasan'ireo jiolahy tamin'izany. Saofera iray no voatifitra teo amin'ny sorony. Mirongatra ny fandrobana fiara amin'izao fotoana izao. Tokony ho tamin'ny 3 ora maraina omaly zoma, nisy fiara nitondra mpivarotra niala maraina be tany Ampefy hividy entana aty an-drenivohitra. Rehefa tonga teo amin'ny tanàna atao hoe Amboalefoka, anelanelan'Analavory sy Miarinarivo, dia nisy fiara nirimorimo nihoatra an'ilay taxi-brousse. Nosakanany ny lalana ary ireny olona telo mitondra basy sy nanao saron-tava nanambana ireo mpandeha. Tsy nisy azo natao fa dia nanaiky izay notadiavin'ireo jiolahy ny rehetra. Very tamin'izany ny vola an-tapitrisany maro saika hividianana entana. Ny vaovao ihany no nahalalana fa nanao akanjo miaramila ireo mpanakana ireo.
Ny zoma maraina ihany, tokony ho tamin'ny 4 ora, teo anelanelan'Analavory sy Ankadinondry Sakay, voaroba ihany koa ny fiara iray nitondra olona voalaza fa ndeha hividy omby any Tsiroanomandidy. Lasan'ireo bandy ny vola mitentina 120 tapitrisa. Fiara 4X4 no nampiasain'ireo mpandroba ireo. Araka ny fantatra, vao niainga avy aty Antananarivo ny fiara nitondra ilay mpividy omby dia efa nahatsinjo fa nisy nanaraka. Mailo ry zareo ka tsy navelany nihoatra mihitsy ilay nanaraka. Rehefa teo amin'ilay toerana anefa dia notifirin'ireo tao anaty 4X4 ny kodiaran'ilay fiara teo aloha. Tsy maintsy nijanona ry zareo. Tamin'izany no nahavoatifitra ny sorok'ilay mpamily. Mora tamin'ireo jiolahy ny naka ny volabe.
Raha vao nahare ny trangan-javatra ny mpitandro filaminanana dia niezaka nanenjika ireo mpandroba nihazo an'i Tsiroanomandidy.



2115midi-mg-002465-3750-26042008 Mirongatra ny vaky trano
Tsimialonjafy
Mirongatra ny vaky trano
Tamin'ny zoma maraina tokony ho tany amin'ny 2 ora tany, dia novakian'ny sasany ny trano iray teny Tsimialonjafy Mahamasina. Lasa tamin'izany ny kojakoja tao an-dakozia, ny lamba nihahy teny an-davarangana sy zavatra maro hafa.
Efa ela no nihaodihaody teny amin'iny faritra iny ireo mpandroba. Nanamora ny zava-dratsy nataony ny tsy firehetan'ny jiro amin'iny tohatohatra miakatra ho any Andohalo iny. Voalaza fa niisa efatra ry zalahy. Rehefa hitan'izy ireo fa nangina tsara ny tanàna dia nihanika tamboho sy lavarangana izy ireo. Ren'ny tompon-trano izany, ka nitsoka ny kiririoka tany aminy izy. Toa tsy naneno anefa ilay fanairana. Asa na nentin'ny tahotra izy ka tsy afaka nampaneno tsara izany. Ny alika ihany koa tsy afaka nivovoa fa lasa gara feo fotsiny. Ity trano vaky ity dia voalaza fa efa indroa no novakian'ny sasany.



2115midi-mg-002466-3751-26042008 Polisy vavy maty tao amin'ny hotely
ANOSIBE
Polisy vavy maty tao amin'ny hotely
Hita tao amina hotely iray tetsy Anosibe ny vatana mangatsiakan'i Zalina Geneviève, ilay polisy vavy efa tsy hita hatramin'ny talata. Hanatitra lecteur VCD sy vata fahitalavitra any amin'ny rain-janany no nialany tao an-trano ny talata ary tsy niverina intsony izy. Nisy nahita teny Anosibe, niaraka tamina lehilahy mandringa izany izy ny harivan'ny talata nividy labiera sy Coca-cola ary niditra tao amin'io hotely nahitana ny fatiny io. Niala ny hotely ilay lehilahy avy eo, izy kosa nohidiany irery tao. Hatramin'ny omaly maraina dia tsy mbola nivoaka tao izy ka nanapa-kevitra ny tompon'ny hotely hamaky ny varavarana, ilay lehilahy niaraka taminy rahateo tsy niverina intsony. Akory ny hagagan'izy ireo fa vatana efa tsy misy aina no novantaniny tao. Mbola hita teo ambonin'ny latabatra ihany koa ny tavoahangin'ireo zava-pisotro novidian'izy ireo. Nampandrenesina ny polisy ary tonga teny nanao ny fizahana ifotony. Nahitana vera misy poizina ihany koa tao amin'ily efitrano. Tokony ho tamin'ny 11 antoandro no nalefa teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana nanaovana fizahana.
Polisy am-perinasa i Zalina Geneviève, mitondra ny grady Agent de Police de 2ème classe izy. Monina eny Mahamasina ary manan-janaka roa (2 sy 4 taona). Araka ny nambaran'ireo namany dia miasa ao Mahamasina izy, ary somary nisy olana teo aminy sy ilay rain-janany. Efa nisy fifandratrana teo amin'izy ireo, ary naiditra am-ponja noho izany mihitsy aza ny rahavavin'i Geneviève. Tsy mbola fantatra na misy ifandraisany amin'izany raharaha rehetra izany ity fahafatesany ity. Ankoatr'izay, mbola tsy hita hatramin'izao ilay lehilahy niaraka taminy tao amin'ny hotely.



2134midi-mg-002486-3773-28042008 Kamiao nifandona tamina fiara kely, telo maty teo no ho eo
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Nisehoana zavatra roa samy hafa ny lalam-pirenena voalohany tamin'ny zoma sy sabotsy teo ; fanafihana sy loza nahafaty olona.
Kamiao nifandona tamina fiara kely, telo maty teo no ho eo
Tamin'ny sabotsy maraina tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tamin'iny lalam-pirenena voalohany nivoaka kely ny tananan'Analavory iny. Olona telo no fantatra fa maty teo no ho eo. Nisy iray hafa naratra mafy ary dimy naratra somary maivana ihany. Nalefa any amin'ny hopitaly vokoa izy ireo.
Fiara 404 bâché miisa roa no avy any andrefana any. Tao anatin'ireto fiara ireto avokoa ireo olona namoy ny ainy. Nitondra fianakaviana ndeha hangata-bady izy ireo. Avy aty antsinana kosa ilay fiarabe. Ny vaovao no nahalalana fa taratran' ny tara-masoandro ny mpamily ny fiara kely iray ka tsy nahita izay nifanena taminy. Ilay kamiao indray toa hoe nisongona fiara hafa. Tao anaty fiolahana no niseho izany loza izany. Mafy dia mafy ny fifandonana. Tapaka ny tongotr'ilay mpamily ny fiara kely teo aloha. Samy voadonan'ilay kamiao ireo fiara roa nifanena taminy. Matoa nahafaty olona telo teo no ho eo ity loza ity dia mafimafy ihany ny fandehan'ireo fiara.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana matetika iny lalam-pirenena voalohany iny. Ny mahavariana, hoy ny mponina manamorona ny lalana, tsy maintsy misy fiara lehibe tafiditra amin'izany loza izany foana.  Tsy any ihany anefa no misy tranga sahala amin'izany fa amin'ny lalam-pirenena maro kamiao mifamoivoy.
Fandehanana mafy no antony.
Tato ho ato dia nahenoina lozam-pifamoivoizana nahafaty olona ampolony maro teto amintsika. Mbola ao an-tsain'ny maro ilay teny Ambohimandroso tamin'ny fiandohan'ny volana martsa. Olona 14 no indray nindaosin'ny fahafatesana tamin'izay andro izay. Fandehanana mafy no rangory fototry ny loza. Efa nandeha ny famotorana ny mpamily ny fiarabe nandona ilay taxi-brousse. Araka ny filazany dia nisy fiara nanenjika, hono, izy tamin'io alina io. Nitondra volabe hividy entana aty an-drenivohitra ry zareo ka izany no tsy maintsy nahamailo azy sy nandehanany mafy.



2134midi-mg-002487-3774-28042008 Bibilavana mpamosavy fahanana rà
Fitehirizana ody ratsy
Bibilavana mpamosavy fahanana rà
Raiki-tahotra ny mponina any amin'ny faritra maroamro any amin'ny Disitirikan'Antalaha noho ny fisian'ny olona voalaza fa mpamosavy na mpimasy miompy bibilava. Ireny biby ireny, hono, no mibaiko izay miompy azy hamono olona. Ràn'olombelona mantsy no sakafo hanin'ireo biby. Tranga iray niseho tamin'ny tapaky ny volana martsa lasa teo no nahataitra ny rehetra. Tsy maintsy natao ny fivoriambem-pokonolona ary nisy ny antso avo ho an'ireo rehetra manana biby any an-tranony hanatitra izany.
Biby miteny
Tamin'ny volana martsa lasa teo àry, nisy renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona anisan'ny mpiompy bibilava monina ao Antanandava II, kaominina Ambalabe. Niteny taminy hono, io biby io fa rahampitso, hisy vehivavy hafa iray handalo eny aminy ka tsy maintsy vonoiny hangalana ny ràny hataony sakafo. Tonga tokoa ny ampitso, nisy ramatoa nandalo. Avy hatrany dia notanterhan'ilay mpamosavy ny baiko azony. Notsatohany antsy ilay mpandalo. Voa teo amin'ny lohany izy io ary dia nijininika ny rà. Tsy nahafaty an'io mpandalo io anefa ilay tsatok'antsy fa nandratra be azy fotsiny. Nentin'ny havany tany amin'ny trano fitsaboana izy ka avotra soa aman-tsara ihany. Tsy nijanona fotsiny tamin'izay ireo olona ireo fa nitory ity namely antsy azy tany amin'ny mpitandro filaminana. Efa nalefa any am-ponja ity ramatoa mpamosavy ity. Nanondro olona maro hafa manana zavatra sahala amin'ny azy izy.
Nanatona mpiandry
Rehefa nanao antso avo ny filohan'ny fokontany teo antrehan'ny zava-nisy dia tsy vitsy ireo nanoina ny antsony. Lehilahy iray no tonga ary nampihaonina tamina mpiandry. Nosavaina ny tranony ka nahitana karan-dohan'olona dimy, taolam-paty maromaro ary bibilava  efa tena lehibe mihitsy. Taty  aoriana kely dia nisy hafa koa nanaiky hanatitra ny azy. Natao koa ny fisavana ny tranony ary nahitana zavatra ohatra an'ilay hita tany amin'ny trano voalohany. Kaominina telo any amin'iny faritra voalaza ery ambony iny no tena misy ireo olona miompy biby ireo.
Na izany aza anefa dia maro koa ny tsy nanaiky izany, ary nampitandrina ny filoham-pokontany  sy niteny azy hoe: mametraha ianao fialana dia omenay omby roa sy vola 200 000 Ar. Raha tsy izany kosa dia hisy zavatra hahazo anao, satria ny karan-dohan'ny reninao dia anisan'ny ao.
R. Remi 


2134midi-mg-002488-3775-28042008 Fatin-dehilahy tsy misy loha sy filahiana
Betioky
Fatin-dehilahy tsy misy loha sy filahiana
Fatin-dehilahy iray tsy misy loha sy filahiana intsony no hitan'ny olona tany anaty akata tamin'ny herinandro lasa teo, tsy lavitra loatra ny tananan'i Betioky, any Atsimo Andrefana. Araka ny fantatra dia nonina tany Ampanihy ity lehilahy ity. Tokony ho eo amin'ny 25 taona izy.
Raiki-tahotra ny mponina taorian'ny nahitana ny razana. Ny dokotera nijery an'ilay faty dia variana ihany koa satria nodidiana tsara mihitsy ireo taova ireo. Olona efa tena havanana amin'izany no nanao izao, hoy ilay mpitsabo. Ny tena mampanahy ny rehetra dia izao, atao inona izany ny loha sy ny filahiana? Mbola malaza amin'ny fanaovana ody na moara ny faritra maro eto amintsika. Ao ireo mieritreritra fa mety hanaovana izany no nangalana ny lohan'ity olona ity. Ny sasany indray lasa lavitra mihitsy ny sainy ary miteny fa mety ho taova hafindra aman'olon-kafa ireo naliana ireo.



2135midi-mg-002490-3777-28042008 Faty mihosina maloto, nariana teo antsisin-dalana
AMBATOROKA. Raha ny fijery azy ety ivelany dia maty novonoina ilay lehilahy. Feno billet-na taxibe niparitaka teo akaikiny.
Faty mihosina maloto, nariana teo antsisin-dalana
Vao maraina dia nitangorona ny olona tetsy Ambatoroka omaly alahady. Amin'iny fidinam-be avy any amin'ny Villa Berlin iny. Nahitana fatin'olona mihosona maloto teo antsisin'arabe, ambonikelin'ny vavahadin'ny biraon'ny PAM, Telecom teo aloha. Ny mpiambina teo amin'ny manodidina no nahita ny faty ary nampandre ny mpitandro filaminana. Raha ny fijery azy ety ivelany dia maty novonoina ilay lehilahy. Fisaka be toy irey nohitsakitsahina ireny ny kibony, mihosina maloto ny vatany ary mivoaka zavatra hafahafa ny vavany. Tsy nahitana taratasy nahafantarana azy teny aminy, fa nahitana billet-na taxibe be dia be niparitaka kosa teo akaikiny. Olona sendra nandalo no nahafantatra azy ary nilaza fa monina eny Ambohitsoa izy io ary mpamily taxi-be no asany.
Nariana
Raha ny filazan'ny mponina eny amin'ny manodidina sy ireo mpiambina nahita ilay razana dia vao mangiran-dratsy no nisy nanary teo antsisin-dalana teo ilay razana. Nihodinkodina teto amin'ny manodidina teto izahay nandritry ny alina nanao fisafoana saingy tsy nahita na inona na inona. Gaga anefa izahay rehefa nanomboka nazava ny andro fa nahita faty mitsirara teo antsisin'arabe, hoy ny fitantaran'ny iray amin'ireo mpiambina nahita ilay razana.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny boriborin-tany faharoa, ny avy ao amin'ny sampana misahana ny heloka be vava ary ny avy ao amin'ny BMH, nijery ifotony ny toe-draharaha ary nanatontosa ny fizahana sy ny fanadihadiana rehetra. Tsy mbola afaka nilaza na inona na inoa aloha ry zareo teo, fa nentina teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ilay razana nanaovana fizahana lalindalina kokoa. Ho hita eo ihany ny tohin'ny famotorana raha tena vonoan'olona marina izao.

Lire aussi - Fitehirizana ody ratsy : Bibilavana mpamosavy fahanana rà - Betioky : Fatin-dehilahy tsy misy loha sy filahiana - Trafic de carburant : 27 personnes inculpées 


2149midi-mg-002505-3792-28042008 Les 11 sénateurs nommés
Les 11 sénateurs nommés
1- Noël Rakotondramboa
2- Charles Sylvain Rabotoarison
3- Tovonanahary Rabetsitonta
4- Ruffine Tsiranana
5- Johanita Ndahimananjara
6- Jean Baptiste Randriamaro
7- Eliane Rosa Naika
8- Pasteur Benjamin Rabenorolahy
9- René Razafiarison
10- Raymond Ramandimbilahatra
11- Mosa Tahiry
Politique 

2174midi-mg-002531-3820-29042008 Eny Isotry no fivarotana entana halatra
Eny Isotry no fivarotana entana halatra
r.s.


2175midi-mg-002533-3822-29042008  Mpampianatra  eny amin'ny oniversité naiditra am-ponja
 Mpampianatra  eny amin'ny oniversité naiditra am-ponja
Notanana am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjaben'Ankazondrano ilay lehilahy mitonona ho mpampianatra eny amin'ny oniversité, ka nisoloky vola 20 tapitrisa taman'olona. Omaly izy no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana tao amin'ny Fitsarana tao Fianarantsoa, rehefa avy nalaina am-bavany teny amin'ny biraon'ny zandary misahana ny heloka bevava. Fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka, fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka, fivadiham-pitokisana, ireo no antony itazonan'ny Fitsarana azy amin'izao raharaha izao. Ankoatra izay dia mitonona ho mpampianatra eny amin'ny Oniversiten'Andrainjato ity lehilahy ity, ary nanao vava be tamin'ny zandary nandritra ny fakana am-bavany natao azy. Milaza ho manam-pahaizana sy mahalala olona ambony izy tamin'izany.   
Mpampianatra  
Nandritra ny fakana am-bavany nataon'ny zandary azy, dia milaza ho mpampianatra eny Andrainjato ity lehilahy voasambotra ity. Ary mbola nanamafy izany ny mpisolo vava azy. Nohamarin'ny mpitandro filaminana teny amin'ny tomponandraikitry ny Oniversitén'I Fianarantsoa anefa fa tsy misoratra ao velively ny anarany ary tsy mpampianatra eny akory izy. Misy ny olona mahafantatra azy ary nilaza fa efa taloha be no nampianarany teny fa tsy amin'izao fotoana intsony. Mbola hisy famotorana hafa hosokafana mikasika ity fisandohan'asa ity. Hohamarinina raha tena mpampianatra eny tokoa izy na tsia. Mbola hisy famotorana ifotony hataon'ny Fitsarana ihany koa amin'ity raharaha anenjehana ity mpampianatra eny amin'ny Oniversité ity. Ary amin'ny volana may ho avy izao ny fotoam-pitsarana. Fa mandra-mpiandry izany rehetra izany dia notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy.
Aina R.


2178midi-mg-002537-3827-30042008 Olona dimy voasambotra
Fanafihana fiara
Olona dimy voasambotra
Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa olona dimy no voasambotra tamin'ny fanafihana fiara tamin'iny lalalm-pirenena faha-44 iny. Araka ny efa nitaterana azy teto omaly dia fiara mpitatitra olona miisa roa no nosakan'ny jiolahy. Indroa miantoana izany fanafihana izany. Lasan'ireo mpandroba avokoa ny vola rehetra, ny finday, ny firavak'ireo mpandeha tamin'ny taxi-brousse roa.
Talohan'ireo fanafihana nitranga tamin'ny zoma io, dia efa nisy fiara hafa voatafika ny alakamisy tamin'iny lalana iny ihany, teo amin'ny tetezana tsy lavitra an'i Vohodiala. Toa nisy fahasimbana ilay fiara 205. Tafajanona teo ilay izy sy ny mpandeha tao anatiny. Indreny, bandy dimilahy nanatona ary nanambana basy. Tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra. Nalainy avokoa ny vola tany amin'ireo mpandeha. Ny maraina vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo niharan'ny fanafihana. Natao ny fikarohana ka tsy ela dia voasambotra ny olona dimy. Nojerena ny basy ka voalaza fa kilalao. Ny vaovao avy any an-toerana ihany no nahafantarana fa mpiasa amina orinasa lehibe iray any an-toerana ireto nanafika fiara ireto.
Araka izany, jiolahy hafa mihitsy ireo nanafika taxi-brousse ny zoma alina. Ny vaovao no nahalalana fa efa hatraty Antohamadinika no narahan'izy ireo ny olona iray nitondra vola 30 tapitrisa. Tsikaritr'ity olona ity anefa ny fihetsika hafahafa nasehon'ireo mpangalatra ka nafindrany tanana ny vola tany aminy, izany hoe nampitondrainy olon-kafa tany amina fiara hafa mihitsy. Rahefa voasakana ireo fiara roa dia ny nikaroka ny vola 30 tapitrisa ihany ireo jiolahy. Rehefa tsy hitany anefa izany dia ny zavatra sarobidy teny amin'ny mpandeha na nalainy.



2178midi-mg-002538-3828-30042008 Tapatapany
Tapatapany
- Antsirabe, dokotera naiditra am-ponja. Naiditra am-ponja tamin'ny sabotsy teo ny dokotera iray noho ny fihetsika mamoafady nataony tamina mpianatra telo vavy. Tamin'ny fotoana fanaovana visite ny mpianatra tao amin'ny sekoly iray no niseho ity zavatra ity. Tsy nijanona fotsiny tamin'izao ireo ankizy fa niteny tamin'ny ray aman-dreniny avy. Ireo indray no nilaza tany amin'ny lehiben'ny sekoly. Nandeha ny famotorana dia izao niafara tamin'ny fitazonana am-ponja an'ingahy mpitsabo izao.
 - Ampanihy, henan-tsokatra 70 kg. Tratran'ny mpitandro ny filaminana ny olona roa nitondra sokatra velona karazana radiata miisa 46 sy henan-tsokatra milanja 70 kg. Nentina tamin'ny sarety ireto zavatra ireto tany amin'ny tanàna atao hoe Fotadrevo any Ampanihy. Ny vaovao voarain'ny mpitandro ny filaminana no nahafahana nisambotra ireo olona. Dimy ny sarety nitondra sokatra fa ity iray ity ihany no tratra. Voarara ny mihinana sy manondrana ity karazam-biby ity eto amintsika.
Lova/r.s. 


2178midi-mg-002539-3829-30042008 Vazaha nisoloky amina miliara nandositra ny  hopitaly 
FITSOAHANA. Zavatra maro no vitan'ity vazaha iray teto amintsika indrindra tamin'ny resaka fanaovana hosoka sy fanodinkodinam-bola.
Vazaha nisoloky amina miliara nandositra ny  hopitaly 
Teratany vahiny iray notazonina teny amin'ny fonjan'Antanimora nefa nahazo alalana hitsabo tena teny amin'ny hopitalin'i Befelatanana no fantatra fa lasa nandositra avy eny amin'io trano fitsaboana io. Vehivavy iray izay voasolokiny hatrany amin'ny iray miliara ariary no nanaitra ny tomponandraikitra tamin'ny alatsinainy teo. Tamin'io andro io dia tokony nohenoina teny amin'ny tribonaly izy. Niveri-maina anefa ireo mpitandro ny filaminana nalefa naka azy tany amin'ny hopitaly. Tsy hita izay nanjavonany. Efa maro ny zava-dratsy iampangana ity vahiny ity.
Fanodinkodinam-bola
Araka ny nolazain'ilay ramatoa nitory azy dia tsy ny fisolokiana ihany no iampangana ity vazaha ity fa eo koa ny fanodinkodinam-bola tany amin'ny banky foibe tany Manakara. Olona ireo olona ny voatonontonona tamin'io zavatra io, misy tomponandraikitra malagasy, misy teratany Karana ary dia io tafiditra io ihany koa ity vazaha frantsay ity. Nohamafisin'ny tomponanandraikitry ny fonja eny Antanimora io fandosirana io. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa fandikan-dalàna teny amin'ny ladoany amin'ny fandefasana entana any ivelany no anisan'ny nitazonana azy tany am-ponja. Nahazo alalana hiditra hopitaly anefa izy araka ny taratasy nomen'ny dokoteran'ny fonja azy.

Lire aussi - Banditisme : Un homme abattu froidement à Ambolokandrina - Fanafihana fiara : Olona dimy voasambotra - Tapatapany 


2222midi-mg-002584-3880-02052008 Fanafihana indroa miantoana, very ny Ar 42 tapitrisa
Asan-jiolahy.
Fanafihana indroa miantoana, very ny Ar 42 tapitrisa
Mahazo vahana amin'izao fotoana izao ny fanakanan-dalana miaro fandrobana ataon'ny jiolahy amin'ny lalam-pirenena. Tamin'ny talata alina tokony ho tany amin'ny 9 ora tany ho any, dia nosakanan'olona nitonona ho polisy teny akaikin'Ambohimandroso amin'ny RN7 ny fiara iray nitondra mpividy omby ho any Ambalavao. Raha vao nijanona ny fiara, dia voambana basy ireo olona efatra tao anatiny. Tsy nisy sahy nihetsika izy ireo. Tsy sarotra tamin'ireto jiolahy ny naka ny vola mitentina Ar 40 tapitrisa. Raha vao azon'ireo mpandroba ny vola dia lasa nandeha ry zareo.
Teny amin'ny lalam-pirenena faha-4 ihany koa dia nisy fandrobana nataon'ny jiolahy ny alarobia vao maraina be. Tokony ho tany amin'ny 1 ora sy sasany tany, nijanona natory teo amoron-dalana ny fairana mpividy vary avy any Antongona Imerintsiatosika. Teny amin'ny faritry Talata Angavo no voatafika izy ireo. Bandy roa voalaza fa nitondra basim-borona no nipoitra tampoka avy any. Voambana basy ihany koa ireo tao anaty fiara ary tsy nisy sahy nihetsika. Ny vola tany amin'izy ireo no nalain'ireto mpanakan-dalana.
Niezaka niantso vonjeo ireo olona ireo raha vao dify ireo jiolahy. Mbola tena alina anefa ka sarotra ho an'ny mponina ihany ny nivoka ivelan'ny trano.
Tamin'iny herinandro lasa iny, nanao tohy vakana ny fanakanan-dalana nataon'ny mpandroba. Indrao miantoana izany tamin'ny lalam-pirenena voalohany. Volabe tokoa no nanjavona. Voalaza fa nitondra basy hatrany ireo mpandroba ary dia nampiasainy mihitsy aza izany tany amin'ny faritr'i Tsiroanomandidy.
Mbola tamin'iny herinandro lasa iny ihany koa no nisy ny fanakanan-dalana tamin'ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an'i Moramanga amin'Ambatondrazaka. Fiara telo no indray voa. Volabe no very tamin'izany. Tamin'ireo fanakanan-dalana ireo dia voalaza fa miisa dimy hatrany ireo jiolahy. Manana basy ary dia nampihorohoro ny mpampiasa an'iny lalana iny. Nosavain-dray zalahy tsirairay ny mpandeha. Tsy nisy navelany tany amin'izy ireo fa nentiny avokoa na vola, na finday, na firavaka.



2222midi-mg-002585-3881-02052008 Mpianaka namoy ny ainy teny amin'ny By Pass
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Saika isan'andro no andrenesana izany amin'ny faritra maro eto amintsika.
Mpianaka namoy ny ainy teny amin'ny By Pass
Olona mianaka no indray maty voadonan'ny fiara teny amin'ny By Pass tamin'ny alarobia hariva teo. Tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany no niseho ny loza. Naka ny zanany nirava avy ny ramatoa iray. Tamin'ny fotoana niampitan'izy mianaka iny lalambe midadasika iny anefa no voadona izy ireo. Araka ny filazan'ireo nahita ny fisehoan'ny loza dia maty teo noho eo ireto mpianaka ireto.
Ireo nanatri-maso ny loza dia samy nilaza avokoa fa nandeha mafimafy ihany ilay fiara tamin'io fotoana io. Nisy mihitsy aza nijoro vavolombelona raha nanontanian'ny mpanao gazetin'ny fahita lavitra iray eto an-drenivohitra ary nanamafy io fandehanana mafy. Nanampy koa izy fa nipoitra saika hiampita ireto olona ireto ka tsy afa-niala azy ireo intsony ny mpamily. Dia izao niafara amin'ny famoizana ny ain'izy mianaka izao.
Maromaro ihany ny loza nahafaty olona tamin'iny lalana By pass iny. Hetahetan'ny mponina monina eny amin'ny manamorona iny lalana iny ny mba hitadiavana vahaolana hisorohana izany. Famerana ny fandehanana, ohatra. Na koa fametrahana ireny dongona fahita amin'ny arabe hafa. Midadasika tokoa mantsy ny arabe ka halaim-panahy ny mpamily fiara handeha mafy. Ny ankizy anefa, amin'ny ankapobeny, tsy ampy ny fahitan'izy ireny mijery miankavia miankavanana ary tsy mahalala velively ny tokony hataony. Tsy ny ankizy ihany anefa fan a ny olon-dehibe aza mety tsy ho afaka miala.



2223midi-mg-002587-3883-02052008 Tapatapany
Tapatapany
 - Sambava, zaza maty. Zazakely iray vao 8 volana no fantatra fa maty noho ny firehetan'ny trano nitoerany tany Ambodisatrana II, any Sambava, tamin'ny faha 27 aprily lasa teo. Zanaka vehivavy iray tsy manambady izy io. Nandeha nivoaka ramatoa tamin'io andro io. Niantso olona izy hiandry ny zanany. Asa anefa izay zava-niseho fa nirehitra ny trano. Tafajanona tao ilay zazakely. Nisy ihany ny fifanomezan-tanana teo amin'ny mpiray monina ka tafavoaka ilay zaza. Nentina tany amin'ny hopitaly nefa noho ny fahamaizany dia tsy tana ny ainy.
 - Sambava, novonoina tao anaty rano. Habibiana mahatsiravina no niseho tany amin'ny tanàna atao hoe Antsahavaribe any Sambava. Tsy tian'ny renibeny ilay zaza ka nahita hevi-dratsy izy sy ny rahavavin'ilay zanany namono nahafaty ny zafikeliny. Nentiny teny amoron-drano ilay zaza, avy eo nohitsahiny tao anaty rano tao. Tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy.
Tsy teo an-tanàna ny rain'ilay zaza tamin'io fotoana io fa nandeha nikarama. Tamin'ny volana desambra tamin'ny taon-dasa no niseho ny famonoana. Rehefa tafaverina ilay rangahy dia gaga tsy nahita ilay zanany saingy nafenin'ilay rafozany ny fandehan-javatra. Ny zanany hafa no nitantara taminy ny izany avy eo.
R. Remi 


2237midi-mg-002602-3899-03052008 BMW fotsy karohina 
BMW fotsy karohina 


2237midi-mg-002603-3900-03052008 Vehivavy namono tena tao am-ponja
Vehivavy namono tena tao am-ponja
  Naiditra vonjimaika am-ponja tao Manakara izy ny 30 aprily teo. Nandritra izany fitazonana azy izany no nanapahany hevitra ny hamono tena. Tsy fantatra mazava izay tena nitarika azy ho amain'izany na koa ny fomba nanatontosany azy. Fa ny fantatra aloha, ary nohamarinin'ny loharanom-baovao akaiky, ny mpitandro ny filaminana rahateo, dia tena maty tokoa izy. Raha araka ny vaovao azo dia nosamborina tamin'ny faramparan'ny volana aprily teo izy sy ny vadiny rehefa sarona niaraka tamin'ny vola sandoka.
Asa an-terivozona
Teo am-panakalozana ireo vola tsy izy no noraisin'ny mpitandro ny filaminana. Nandeha ny fanadihadiana rehetra ary natolotra ny Fampanoavana ny 30 aprily teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ary dia tamin'io fotoana io no namono tena ilay vehivavy. Rangahy kosa velona soa aman-tsara, na dia nitovy aza ny helok'izy roa ireo, ary samy tazonina am-ponja. Asa na noho ny fahafantarany fa helohin'ny lalàna hanao asa an-terivozona mandram-pahafatiny, soratra izay mibaribary rahateo eo amin'ny ravim-bola, no nitarika ity ramatoa amin'io famonoan-tena io. Efa maro ihany ny tranga mitovitovy amin'izany. Saingy ny tena betsaka dia ireo manatontosa izany mandritra ny fitazonana azy ao amin'ny violon.
Famoretana
Isan'izany ilay saofera nahafaty olona izay nolazaina fa namono tena nandritra ny fitazonana azy tao amin'ny borigadin'ny zandary iray izay tsy hotononina eto noho ny ny resaka mifamahofaho be ihany. Nakapony tamin'ny rindrina ny lohany dia vaky...izany no nahafaty azy tao amin'ilay toerana nitazonana azy raha araka ny tatitra ôfisialy. Toe-javatra izay mahasadaikatra ihany ny mieritreritra azy. Indrindra raha fantatra fa mbola fanao misy eto amintsika ny famoretana mandritra ny fanadihadiana...   
Didi R.  


2256midi-mg-002623-3922-05052008 Fianakaviana voasoloky 60 tapitrisa Ariary
VOLAMENA SY MERCURE. Mbola maro ny olona voafitaka amin'ity resaka ity. Nisy fianakaviana monina eny Ambohimanarina voa indray.
Fianakaviana voasoloky 60 tapitrisa Ariary
Resaka fisolokiana amin'ny volamena sy mercure indray. Fianakaviana iray monina eny Ambohimanarina no tratra, lasa ny 60 tapitrisa Ariary. Mpanao varo-mandeha ity fianakaviana iray ity, ka rehefa nahangona volabe dia nitsiry ny hevitra fa hanao zavatra hafa. Ny aferana volamena sy mercure no nandehanan'ny saina. Tsy avy dia nirotsaka anefa fa nanatona ombiasy teny Ambohidroa aloha nijery vintana sy naka toky tsara. Nanamafy ilay ombiasy fa mety amin'ity fianakaviana ity tokoa io raharaha io. Nanatona mpandraharaha iray teny Anosizato izy ireo avy eo ka nifampiraharaha ary noraiketina an-taratasy mihitsy izany. Ilay mpandraharaha no mividy ny entana any am-potony, ka ny tompom-bola ihany avy eo no mivarotra azy. Ilay fianakaviana tompom-bola rahateo efa nahita Karàna hividy ireo volamena sy mercure.
Entana
Raikitra ny fifanarahana ka nomena an'ilay mpandraharaha ny volabe 60 tapitrisa Ariary. Nandeha nidina tany Marolambo sy Mahanoro ilay mpandraharaha haka ny entana niaraka tamin'ny zanaky ny tompom-bola. Tonga teto an-drenivohitra izy ireo ny alarobia teo niaraka tamin'ny entana. Ny zoma lasa teo no nifanao fotoana tamin'ilay Karàna hividy azy. Rehefa nozahana anefa dia tsy tena volamena sy mercure ilay entana fa zavatra hafa tsy misy vidiny. Teo vao samy gina ny rehetra. Notodiavina ilay mpandraharaha saingy tsy hita izay nanjavonany. Novonoiny ny findainy tsy hahafahana miantso azy. Adiresy tsy misy sy nomerao kara-panondro sandoka ihany koa no nosoratany tany anatin'ny fifanarahana. Nametraka fitoriana eny amin'ny zandary izy ireo ny sabotsy teo. Mitohy ny fikarohana.



2256midi-mg-002624-3923-05052008 Namono olona indray ny tatatra ao Tanambao
Toamasina
Namono olona indray ny tatatra ao Tanambao
Latsaka tao anaty tatatra lalina (mirefy 4 metatra any) ity lehilahy iray. Dimy minitra teo anefa mbola tsy nipoitra ihany ka novonjen'ny fokonolona. Nentina teny amin'ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Tao Tanambao Toamasina no nisehoan'izany ny alin'ny sabotsy teo. Efa mamon-toaka ilay lehilahy ka tsy nahita ny halalin'ilay tatatra. Fanindroany amin'izao no nahafatesana olona io tatatra tsy misy fanamboarana io. Na ny mpandeha an-tongotra na ny mpandeha kodiaran-droa dia efa saika nianjera tao amin'io tatatra io avokoa. Ankoatra ilay lehilahy namoy ny ainy, dia roa lahy hafa nandeha moto ihany koa no latsaka tao amin'ilay tatatra, io sabotsy io ihany. Faritra kely sisa no azo iampitana amin'io toerana io ka manahirana ny mponina any an-toerana.
Jean-Claude STEVE 


2256midi-mg-002625-3924-05052008 Olona telo voasambotra
Marais Masay
Olona telo voasambotra
Mpanjono telo lahy no voasambotry ny polisy teny amin'ny Marais Masay omaly vao mangiran-dratsy. Tratra niaraka tamin'ireo ny fitaovam-panjonoana, ny lakana ary trondro 20 kilao. Ny polisin'ny kaominina no nanatontosa ny fisamborana ary natolotra ny polisy avy ao amin'ny boriborintany faha-8 ny raharaha. Trondro saika hamidy eny Ambohimanarina sy Andravoahangy ireo ary saika hafangaro amin'ny trondro madio mba tsy ho fantatra.
Fampihinanana zavatra maloto olona no iampangana ireto mpanjono ireto amin'izao raharaha izao.



2284midi-mg-002654-3960-06052008 Zaza fito taona notobasana rano mangotraka
Antsiranana
Zaza fito taona notobasana rano mangotraka
Zaza fito taona no novonoin'ny namany  tonton , tao Mangaoka, distrikan'Antsiranana II, tamin'ny volana aprily lasa teo. Voakapoka mafy ity zazakely ity ary niafara tamin'ny ratra teo amin'ny lohany sy ny tanany ka nahatorana azy. Mbola notondrahany rano mangotraka indray ilay zaza avy eo. Naiditra hopitaly nanomboka tamin'ny 17 aprily teo, ao amin'ny CHRR Antsiranana, ilay zaza. Tsy afa-niteny mihitsy izy, feno fery ihany koa ny tenany manontolo.
Notazonin'ny zandary ilay zamany rehefa voasambotra. Notanana am-ponja vonjimaika izy taorian'ny fitsarana azy omaly. Araka ny vaovao azo dia efa misy fiovana ny fahasalaman'ilay zaza.
V.JCL 


2285midi-mg-002656-3962-06052008 Olona roa tsy nanaja fomban-drazana nokapohina
AMBANJA
Olona roa tsy nanaja fomban-drazana nokapohina
Ny fitsidiham-paritra nataon'ny mpanjaka TIARASO IV mifehy ny distrikan'AMBANJA tamin'ny faramparan'ny volana marsa lasa teo no nahafantarana fa ny fady tsy nohajain'ny olona no mitarika loza amin'ny toerana maro. Ny ankamaroan'ny olona any amin'ny fokontany dia mbola manaja ny fomban-drazana. Isan'izany, ohatra, ny tsy fanasana lamba amin'ny savony amin'ny andro talata sy alakamisy. Toy izany koa ny mamboly vary amin'ny andro alahady. 
Ny fokontany Ambohimanarina no toerana novangian'ny mpanjaka ka nanatanterahana ny joro mba hanadiovana ny rano voaota. Fety aman-danonana no natao tamin'io. Tsahivina fa ity fokontany ity dia isan'ny voa mafy indrindra ao anatin'ny distrika tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Indlala. Olona 11 no namoy ny ainy tamin'ireny ary lazain'ny olona fa hatezeran-drazana noho ny fanotana fady izany. Izany koa no enti-manamarina ny asa fanotam-pady.
OLONA ROA VOAKAPOKA
Nandà ary tsy nanaja an'io fomba io ny kristianina ka mbola nanasa lamba amin'ny andro voarara tao anatin'ny reniranon'i Sambirano ihany, taorian'ny joro nataon'ny mpanjaka. Ny Pasitera mihitsy no naniraka vehivavy dimy hanasa lamba tany. Nisy nahita izany ary notaterina tany amin'ny mpanjaka. Tamin'ny 24/04/08 lasa teo dia nalaina ireo olona voatondro ka nokapohina ary naratra mafy. Vaky ny fitoriana tany amin'ny Borigadin'Ambanja ka naterina tany amin'ny fitsarana sy naiditra am-ponja ny mpamely.
REMI Rakotonirina 


2285midi-mg-002657-3963-06052008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ankorondrano, jiolahy voasambotra. Voasambotry ny polisy tetsy Ankorondrano tamin'ny alahady teo ny jiolahy anisan'ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana amin'iny faritra iny. Tao amin'ny rihana fahatelo tao amina trano iray ao amin'ny Cité Firaisana no nalehan'izy ireo. Nisy naheno ary niantso polisy avy hatrany. Tsy niandry ireto farany fa tonga dia nanao ny fisamboarana. Tsy afa-nandositra ity jiolahy ity rehefa nifampitolona tamin'ny zanak'ilay Karàna tompon-trano. Tafatsoaka kosa ny namany iray. Tratra tany aminy ny basy vita gasy. Araka ny filazany, dia ny vola hofan-trano nangonin'ilay Karàna no saika hangalariny tao.
 - Marais Masay, mpanjono 7 voasambotra. Omaly dia mpanarato miisa fito no nosamborin'ny tomponandraikitra teny amin'ny Marais Masay. Voatazona niaraka tamin'izy ireo ny lakana, ny harato ary ny tondro efa azony. Efa eo am-pelatanan'ny polisy ao amin'ny boriborintany faha-8 izy ireo amin'izao fotoana izao.



2291midi-mg-002664-3970-06052008 Olona iray maty tsy tra-drano.
Lozam-pifamoivoizana.
Olona iray maty tsy tra-drano.
Omaly tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin'ny lalana Marais Masay. Lehilahy iray no fantatra fa maty teo noho eo. Ireo nahita ny fitrangan'ny loza no nilaza fa nihazakazaka avy aty andrefana io olona namoy ny ainy io ary niampita arabe. Tamin'izany indrindra izy no voadonan'ilay fiara izay nirimorimo tokoa. Taty amin'ny ilany havanana raha avy aty Ankorondrano izy no voadoana.



2319midi-mg-002693-4003-07052008 Jiolahy avy nanafika nifampitifitra tamin'ny zandary
AMBATOMIRAHAVAVY. Telolahy nitaingina scooter nanafika mpivarotra iray tany Imerintsiatosika. Lasan'izy ireo ny vola 30 tapitrisa ariary.
Jiolahy avy nanafika nifampitifitra tamin'ny zandary
Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teny Imeritsiatosika omaly tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany hariva. Jiolahy miisa telo, mitaingina scooter ary mitondra basy poleta no nanafika mpivarotra iray. Lasn'izy ireo tamin'izany ny vola 30 tapitrisa ariary tao amin'ilay fivarotana. Mpivarotra mpambogady ity notafihan'ny jiolahy teny Imerintsiatosika ity, ary efa nikasa hanidy trano izy ireo no niditra an-keriny tao aminy ireo jiolahy. Nanambana basy azy rehetra tao am-pivarotana ary naka ny vola rehetra tao. Raha vao nahazo ny volabe ireo mpanafika dia nirifatra nandositra nihazo taty an-drenivohitra. Ireo niharam-boina moa nampandre avy hatrany ny zandary. ireto farany kosa nandray fepetra avy hatrany. Nasiana sakana  avokoa isaky ny sampanan-dalana rehetra tany amin'ny tanana manodidina.
Nitifitra
Nizotra nihazo ny renivohitra ny lalan'ireo jiolahy nitaingina sooter. Ny zandary kosa tamin'io fotoana io efa nametraka sakana taty Ambatomirahavavy. Nandalo ireo mpitandro filaminana ireo jiolahy tokony ho ora iray taorian'ny fanafihana.  Vao nahatazana avy lavitra ireo zandary anefa izy ireo dia namoaka basy ary nitifitra avy hatrany. Niaro tena ny mpitandro filaminana ka tsy maintsy niala ny tifitra nataon'ireto jiolahy. Tamin'izay indrindra no tafaporitsaka nitsoaka izy telolahy, niaraka tamin'ny volabe. Niezaka nitifitra sy nanenjika avy ato afara ireo zandary saingy efa lasa lavitra iretsy jiolahy. Amin'izao ora anoratanay izao dia mbola mitohy ny fanenjehana ireto jiolahy ireto.
Nifanesisesy mihitsy ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra tato ho ato. Ny andron'ny afak'omaly fotsiny izao dia fiara 4x4 telo be izao no indray notafihan'ny jiolahy mitam-basy teto an-drenivohitra. Dia izao misy fanafihana amim-basy izao indray teny Imerintsiatosika.  Midika izany fa mbola manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika.



2319midi-mg-002694-4004-07052008 Afaka noho ny fisalasalana ireo polisy 9 lahy
Raharaha Nanisana.
Afaka noho ny fisalasalana ireo polisy 9 lahy
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha nahavoatifitra ka nitarika ny fahafatesan'ilay ankizy antsoina hoe Rina teny Nanisana tamin'ny fotoana nanenjehan'ny polisy ny andian-jiolahy notarihan-dry Lama sy Mahandry. Afaka noho ny fisalasalana ireo polisy miisa sivy voarohirohy tamin'ity raharaha ity.
Raha tsiahivina ny zavatra nitranga tamin'izay fotoana izay dia tonga teny amin'iny faritry Nanisana iny ny polisy nanenjika ireo jiolahy nampitondra faisana ny teto an-drenivohitra. Fiara no nifanenjehana tamin'izay fotoana izay. Tafiditra teo anelanelan'ireo fiara nifanenjika ireo ny an'ity ankizy namoy ny ainy ity niaraka tamin'ny ray aman-dreniny. Efa nifampitifitra anefa ny jiolahy sy ny polisy. Nisy ny bala nandeha tany amin'ny tsy tokony ho izy ary dia nahalavo ka nahafaty an'i Rina.
Tsy nijanona tamin'izao ny ray aman-dreniny fa nitondra ny raharaha teny amin'ny fitsarana ary dia io nivoaka omaly io ny didy. Efa nisy ny fizahana manokana natao ilay bala nahafaty azy saingy tsy nahitana ny tena marina. Milaza ho tsy afa-po amin'izao didy navoakan'ny Fitsarana izao anefa ny fianakavian'ny maty.



2319midi-mg-002695-4005-07052008 Feno trakta miparitaka
Fenerive Est
Feno trakta miparitaka
Feno trakta miparitaka ao an-tampontananan'i Fenerive Est amin'izao fotoana izao. Trakta izay milaza ny tsy fahafaliam-pon'ireo fianakaviana 34 hoesorina amin'ny tany nipetrahany. Fanesorana olona hiala amin'ny tany izay voalaza fa mana-tompo no niandohan'izao raharaha izao. Fianakaviana 34 no voakasik'izany. Efa tonga tany an-toerana ny vadin-tany sy ny mpitandro filaminana nanome fampilazana farany ireo olona mipetraka amin'ilay tany. Tsy mankasikatra izany anefa ireto farany satria misy amin'izy ireo no efa teo hatramin'ny taona 1945. Efa mitady vahaolana amin'ity raharaha ity ny tomponandraikim-panjakana any an-toerana
r.s 


2319midi-mg-002696-4006-07052008 Zaza 9 narian-dray sy reniny
ISORAKA
Zaza 9 narian-dray sy reniny
Mbola tsy hita hatramin'izao ny ray aman-drenin'ireo zaza sivy nipetraka tamina hotely iray tetsy Isoraka. Efa ho iray volana izay no nanofan'ireto mpivady ireto ilay trano tao amin'ny hotely. Tsy nandoa vola izy ireo ary nanomboka nitaky ny tompon'ny hotely. Folo andro lasa anefa izay, niala tao amin'ny hotely izy mivady fa hoe hitady vola handoavana ny hofan-trano ary tsy mbola niverina hatramin'izao. Tsy nisy mpikarakara ireo zaza ka ny tompon'ny hotely no manome sakafo azy. Afak'omaly dia nampandrenesina ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ary naka azy ireo tao. Tsy mbola hita kosa izay misy azy mivady hatramin'izao.
Napetraka eny amin'ny BMH ireo zaza sivy izay anelanelan'ny 2 ka hatramin'ny 17 taona. Ny eny amin'io toerana io anefa tsy afaka mitana azy ireo mihoatra ny 10 andro, ka raha dila izay fotoana izay dia halefa haparitaka eny amin'ny toby mpitaiza zaza kamboty ireo zaza ireo.



2319midi-mg-002697-4007-07052008 Misy mpitandro filaminana miray tsikombakomba
FANAFIHANA @ RN7
Misy mpitandro filaminana miray tsikombakomba
Raha mbola mifanesisesy ny fanafihana mitam-piadiana mitranga amin'ny lalam-pirenena eto amintsika dia manohy ny famotorana ataony ihany koa ny mpitandro filaminana. Fantatra ary izao fa misy mpitandro filaminana miray tsikobakomba amin'ireo mpandroba. Misy ny mampanofa basy sy fanamiana, misy ihany koa ny mirotsaka an-tsehatra manafika mihitsy. Ato ho ato dia hisy olona dimy hosamborina ka ny roa amin'ireo dia mpitandro filaminana am-perinasa.
Raha ny any amin'ny lalam-pirenena faha-7 no asian-teny dia mbola mitohy ny fanafihana mifanesy. Vao tamin'ny alin'ny sabotsy lasa teo izao dia fiara mini-bus roa ho any Toliara no nisy nitoraka tamin'iny faritr'Ambalamanakana sy Ambatofitorahana iny. Potika tanteraka ny fitaratr'ireo fiara. Soa fa tafatsoaka izy ireo na dia nobahanan'ireo jiolahy vatan-kazo aza ny lalana. Mihorohoro noho izany ny mpampiasa iny lalana iny, koa manaitra ny sain'ireo tompon'andraikitra mba hijery akaiky ny raharaha.



2319midi-mg-002698-4008-07052008 Olom-boafidy nandrahona mpanao gazety
Mananjary.
Olom-boafidy nandrahona mpanao gazety
Hanao fivoriam-be handraisana fanapahan-kevitra hentitra ny mpanao gazety rehetra  any Mananjary ato ho ato, handinika ilay hafatra nifono fandrahonana  nalefa tamina finday,  izay nataon'ny olom-boafidy iray tamina mpanao gazety miasa amin'ny onjam-peo tsy miankina any an-toerana ny alatsinainy 28 Aprily lasa teo. Tsara homarihana fa  mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana  ny fikambanan'ny mpanao gazety any an-toerana, manana ny sata mifehy anatiny ary mahaleo tena tanteraka .Noho ny habetsahan'ny vaovao izay tsy maintsy mandeha amin'ny radio tsy miankina  sy amin'ny maha radiom-piangonana azy dia tsy maintsy ny vaovaon'ny finoana no mibahan-toerana amin'ny fiandohan'ny herinandro, ka raha tsy nivoaka ilay vaovao nomen'ilay olom-boafidy dia  tsy mba nisy akory ny fangatahana ny antony tamin'ny fifanajana fa dia ny filazana ny maha izy azy sy ny fandrahonana an-kolaka, ary fampitandremana  ilay mpanao gazety no nisongadina tamin'ilay hafatra tamina finday. Voatohintohina araka izany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ka izay no nahatonga ity fikambanana ity hanao izao hetsika izao. Mbola ho hita mianadalana eo  ihany ny ho fivoaran'ny raharaha.
H.A.R 


2347midi-mg-002727-4060-08052008 Telolahy misandoka ho polisy
ANTSIRABE
Telolahy misandoka ho polisy
Voasambotry ny zandary tao Antanifotsy ireo telolahy nisandoka ho polisy. Misandoka ho  commissaire divisionnaire  ny roalahy tamin'izy ireo ary ny iray kosa nisandoka ho  officier de police . entin'izy telolahy hisolokiana sy hakana vola aman'olona ary hanaovana faneriterena samihafa izany anarana izany. Milaza izy ireo fa miasa ao amin'ny commissariat central sy ao amin'ny brigade criminelle etsy Anosy. Naheno io raharaha io ny zandary ka nanao fanadihadiana. Tratra tany Ambohitompoina, Antanifotsy izy telolahy ka rehefa nosavaina dia tsy nisy antotan-taratasy manamarina ny maha polisy azy akory tany amin'izy ireo. Efa eo am-panaovana ny famotorana rehetra ny zandary amin'izao fotoana izao. Mbola hatolotra ny polisy ihany koa avy eo ny raharaha mahakasika ity fisandohana asa ity. Ankoatra io moa dia ny fisolokiana vola aman'olona sy ny fanaovana faneriterena no tena anenjehana azy ireo. Samy avy any Fianarantsoa avokoa ny fiavian'izy telolahy ireto. Tsy vao izao no nahitana ity fisandohana ho polisy ity teto amintsika ary saika hoentina maka vola na hampitahorana olona no tena anaovan'ireo olon-dratsy azy. Ela ny ela anefa ka tratra ihany ry zalahy.
Aina R.  


2347midi-mg-002728-4061-08052008 Hamafisina ny eto anatiny
Fandriampahalemana.
Hamafisina ny eto anatiny
Inoana fa tsy hisy ny fifanjevoana eo amin'ny andraikitra isan-karazany amin'ny fananganana ity sampana ity. Samy tafiditra amin'ny asa hitandroana ny fandriampahalemana mantsy ireo   sampana roa ireo. Antenanina anefa fa hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'izy zareo.
Manantena ny rehetra fa hisy ny vokatra tsara amin'izao fiovana misy izao. Samy matahotra ny olona tsirairay eo anatrehan'ny tsy fandriampahalemana miseho lany etsy sy eroa. Tao anatin'ny andro maromaro mantsy izay, re tetsy sy teroa ny fanafihana tena lazaina fa mifono fahasahiana nianjady tamina olona maro, anaty fiara, eny an-dalana, hatrany amin'ny orinasa misy mpiambina.
Tena mbola lavitra ny lalana hizorana vao ho tonga amin'izany. Mila ny fandaisana handraikitry ny tsirairay takiana.
r.s.


2347midi-mg-002729-4062-08052008 Jiolahy iray maty voatifitry ny GIR
Jiolahy iray maty voatifitry ny GIR
  Inefatra nirefotra ny basy omaly omaly tetsy Ankorondrano. Jiolahy iray no fantatra fa maty voatifitry ny polisy avy ao amin'ny GIR. Ny vaovao voaray avy amin'ny polisy no nahalalana fa   saika hanafika orinasa iray tety amin'ny manodidina izy ireo. Naharay antso any aminan'olona ny avy ao Tsaralalana fa misy olona telo manao fihetsika hafahafa nivezivezy teny. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Raha vao tonga teny an-toerana anefa ry zareo, ary raha vao nahita azy ireo bandy dia nanao tari-dositra. Tamin'izany indrindra no nisy ny fifampitifirana. Nitifitra ny jiolahy, namaly ny polisy ary tamin'izay no nahavoa ny iray tamin'ireo voalaza fa saika handromba. Maty teo no ho eo izy io. Raha nahita izany ireo namany raoalahy dia vaky tady nandositra. Rehefa nosavaina ilay voatifitra dia nahitana basy MAK 50 tany aminy. Ankoatra izany, nisy bala miisa sivy sy fonosana rongony iray. Tsy vitan'izany, karapanondro sandoka iray mitondra ny anarana Razanakoto Léon Abel. Amin'izao fotoana izao, nalefa eny amin'ny tranom-paty eny Ampefiloha ny razana.
Maty teny Betongolo
Saika ny faritra rehetra eto an-drenivohitra dia ahitana asan-jiolahy, indrindra amin'ny alina. Ankoatra io tetsy Ankorondrano io, fantatra koa izao fa nisy jiolahy iray maty voatifitra teny amin'ny faritry Betongolo. Tamin'ny talata maraina be tamin'ny 1 ora maraina no niseho ity zavatra ity. Polisy iray avy nandeha taxi-brousse avy any Vatomandry no nisy nananfika. Tonga alimbe izy io. Niala fiara teny Ambodivona, nandray taxi hody eny Betongola. Niala teo akaikin'ny fiangonana. Tamin'izay fotoana izay, nisy olona telolahy nanaraka azy. Raha vao tafiditra toerana somary maizina sy mangina, namoaka basy sy sabatra ry zalahy. Nambanany tamin'izany ilay mpandeha. Tamin'io fotoana io, tsy nahalala velively ireo mpandroba fa polisy ity nokasain-dry zalahy nendahana. Mody nanao resy izy io ary dia nahavatra nifona tamin'ireo mpandenaka mihitsy. Nomeny azy ny vola mahatratra hatrany amin'ny 800 000. tsy nionona tamin'izany anefa ireo jiolahy fa mbola nangataka ny sakaosy teny aminy. Dia mody nanaiky ilay voaendaka. Novahana ilay izy. Raha variana teo anefa ry zalahy, io indrindra ny fotoana nandrasan'ilay polisy namoahana ny basy tany aminy. Voatifitra ny iray ary lavo teo no ho eo. Mbola voa ihany koa ny faharoa, teo amin'ny sorony. Raha nahita izany ilay namany fahatelo, vaky tady nandositra. Raha mbola variana nijery izany ilay mpitandro filaminana, afaka nandositra ihany koa ilay voa teo amin'ny sorony. Rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nijery ilay voatifitra, hay basy kilalao no tany aminy.
r.s.


2348midi-mg-002731-4065-09052008 Polisy iray voarohirohy
Vonoan'olona.
Polisy iray voarohirohy
r.s.


2348midi-mg-002732-4066-09052008 Nitonona ho tomponandrikitry  
Nitonona ho tomponandrikitry  


2348midi-mg-002733-4067-09052008 Mpangalatra nandratra miaramila
RFI Ivato
Mpangalatra nandratra miaramila
Ny alin'ny alatsinainy teo, tokony ho tamin'ny 10 ora dia nidirana mpangalatra tao amin'ny toby miaramila RFI Ivato. Saika hanagalatra tao amin'ny trano fitahirizana fitaovana izy ireo no nifanehatra tampoka tamin'ny miaramila mpiambina. Tsy nisalasala akory ny iray tamin'ireo mpangalatra nanindrona antsy ilay mpiambina. Niantso vonjy izy ary nirifatra nandositra ireo mpangalatra raha vao anahare ny fihavian'ireo miaramila sasany tonga hamonjy ny namany. Mbola tsy hita hatramin'izao ny nanjavonan'ireo mpangalatra ireo. Ilay miaramila naratra kosa dia mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly ary tsy mbola mahatsiaro tena.
Aina R.


2348midi-mg-002734-4068-09052008 Nirefotra ny grenady, mpianatra roa naratra
Nirefotra ny grenady, mpianatra roa naratra
Efa tena alim-be tokoa vao niparitaka ireo mpianatra nilahatra tany Barikadimy Toamasina tamin'ny alarobia teo. Inefatra nirefotra ny grenady, nisy ihany koa ny tifi-danitra nataon'ny mpitandro filaminana handravana ny filaharana. Ny vaovao no nahalalana fa ny fitorahana grenady niseho efa tany amin'ny 11 ora alina tany ho any no nandratra ireo mpianatra ireo. Taorian'izay voa nirava ireo ankizy.
r.s.


2356midi-mg-002743-4078-09052008    
   
Culture 

2379midi-mg-002767-4108-10052008 Zazavavy 13 taona voaolana
Antsiranana
Zazavavy 13 taona voaolana
Zazavavy 13 taona no naolana zazalahy 19 taona tao Andoamandry, kaominina ambanivohitry Misorolava, distrikan'Antsiranana II. Efa nanao ny fizahana tao amin'ny dokotera tao Ambilobe ny fianakaviany ary nahazo taratasy manamarina izany ratra izany. Ny nampalahelo ny ray aman-renin'ilay zaza dia ny fanodinkodinana nataona tomponandraikitra iray ny raharaha. Tany amin'ny volana aprily no nitranga ity fanolanana ity. Taty aoriana, nihetsika ny aretin'ilay zaza, nanatona ny tomponandraikitry ny fahasalamana aty Antsiranana izy ireo omaly. Tsy hanaiky fa hanameloka izay rehetra tafiditra amin'izao raharaha izao ny ray aman-drenin-drazazavavy. Ny dokotera manokana mikarakara ny zaza iharan'ny herisetra no nandray azy ireo omaly tao amin'ny Dispensaire Tanambao Antsiranana.
V JCL


2379midi-mg-002768-4109-10052008 Jiolahy iray indray maty voatifitra
Jiolahy iray indray maty voatifitra
Naharay antso ny polisy teny Ambolokandrina fa misy jiolahy nanafika teny Mahazo. Vehivavy nandeha taxi avy eny Mahazo ho any Ambatobe ilay voaendaka. Nosakan'ireo jiolahy ilay fiara ary nambanany basy ireo tao anatiny. Lasa tamin'izany ny vola Ar 20000 sy finday. Tonga teny an-toerana ny polisy ary dia raikitra ny fifanenjehana niala teny Ambatomaro ka hatrany Ilafy. Teny no nahavoa ilay bandy.
r.s.


2379midi-mg-002769-4110-10052008 Tsy ampy taona mivaro-tena sy manendaka
Tsy ampy taona mivaro-tena sy manendaka
  Ankizy vavy fantatra fa tsy mbola ampy taona no mivorivory eo amin'ny toerana iray etsy Anjanahary mihazo an'Ambatomainty rehefa maizina ny andro. Ny mponina manodidina mahafantatra tsara fa tonga hivaro-tena eo izy ireo. Ary dia mahazo client tokoa ry zareo. Rehefa raikitra ny varotra dia taritiny any afovoan-tanàna misy elakela-trano somary maizimaizina ireo client. Tsy ny zavatra nifanarahana anefa no miseho fa fanendahana no miandry azy ireny. Ny vaovao voaray ihany no nahalalana fa efa misy bandy miandry any amin'ny maizimaizina any.  
Tsy misy jiro
Tao anatin'ny volana vitsivitsy izay dia efa in-efatra no nisy tranga toy izany. Ny farany vao tamin'ny alarobia heriny teo. Tsy misy jiro manazava ilay toerana. Asa na efa tafiditra ao anatin'ny tetik'ireo olon-dratsy izany! Ity elakela-trano voalaza eto ity dia fantatra ihany koa fa fandosiran'ny mpanendaka eny amin'ny faritra iny. Miditra avy aty Anjanahary ary tafavoaka any amin'ny faritr'i Manjakaray.  
Tsy misy fitarainana
Fantatry ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izao tranga izao, nefa ireo voa tsy misy sahy mametraka fitarainana. Noho ny henatr'olona angamba. Tsy misy araka izany ny fanenjehana ireo mpanao ratsy. Mitombo isa tokoa amin'izao fotoana izao ny mpivaro-tena. Tsy any amin'ny toerana malaza toa an'i Tsaralalàna ihany fa saika manerana ny kartie maro eto an-drenivohitra. Arakaraka ny kartie ihany koa ny vola aloa. Any amin'ny faritra voasokajy fa mihaja no bebe ny sarany. Any amin'ny toerana hafa be mponina, ambany dia ambany izany. Tsy mitovy ihany koa ny mpanjifa fa misy sokajiny. Ary mety ho avy amin'izany no itaran'ny sain'ny sasany hanendaka.
r.s.
Antsiranana : Zazavavy 13 taona voaolana


2401midi-mg-002792-4162-14052008 Fiara latsaka tany anaty hady
Fiara latsaka tany anaty hady


2401midi-mg-002793-4163-14052008 Vazaha naiditra am-ponja
Vazaha naiditra am-ponja
Vazaha lahy teratany Alemana no naiditra am-ponja tany Nosy Be. Ny antony, nahatratrarana rongony 300 grama teny aminy. Ankoatra izay, rehefa nohadihadiana izy dia tsy ara-dalàna ihany koa ny taratasy fahazoan-dalana hahafahany monina eto Madagasikara. Nandritra ny lanonana famaranana ny Donia tany an-toerana, ny sabotsy lasa teo, no nanaovan'ny zandary fisavana ka izao nahatratrarana ity vazaha ity izao. Rehefa vita ny famotorana tany amin'ny zandary dia natolotra ny Fampanoavana ilay vazaha ary izao nalefa vonjimaika any am-ponja izao. Nikasa ny hody any aminy ny alahady lasa teo izy kanjo izao voasambotra izao.
Betsaka mihitsy ny vazaha nahatratrarana rongony ka nalefa any am-ponja tato ho ato. Raha tsahivina dia vao tsy ela akory izay no nampidirana teny Antanimora ireo vazaha efa-dahy, teratany Frantsay sy Maorisianina, nahatratrarana rongony teny Antaninarenina. Mpitantana trano fandihizana eny ny roa tamin'ireo Frantsay ary namany mpividy rongony ao aminy kosa ireo roalahy hafa. Vao haingana ihany koa no nandalo Fitsarana ireo teratany Afrikanina sy Maorisianina tafiditra tamina resaka rongony teny 67ha. Tsy mandefitra mihitsy ny mpitandro ny filaminana amin'ity resaka trafikana rongony ity.
Aina R.


2401midi-mg-002794-4164-14052008 Mpirahalahy nifangala-bady, niafara tamin'ny doro trano
HASAROTAM-PIARO. Izany tokoa ny hoe gisalahy oman-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo feo. Azo fehezina amin'io ny zava-niseho.
Mpirahalahy nifangala-bady, niafara tamin'ny doro trano
Asa na nentin'ny hasaratom-piaro ity zokiolona fa nodorany ny tranon'ny zandriny faralahy. Efa mahina ity zandry ka niala mialoha tao amin'ilay toerana. Kila ny entana rehetra ary tsy nisy azo noraisina mihitsy. Tany amin'ny tanàna atao hoe Ampanefena no niseho ity tantara ity. Misy olona telo mirahalahy iray tampo monina ao amin'io toerana io. Samy tsy mbola nisy nanam-bady ry zareo. Tapakevitra àry ilay zandriny indrindra fa haka vady niaraka nipetraka taminy. Raha nahita izany ilay zokiny indrindra dia nalainy io vadin'ny zandriny io.
Nandeha teny ny andro sy ny volana, naka vady fanindroany indray ilay faralahy. Asa na fomba inona no misy eo amin-dry zareo fa nalain'ilay zokiny faharoa indray ilay vehivavy. Tsy fantatra izay fihetsehampon'ity kely indrindra fa toa nandefitra indray izy. Amin'izy telolahy izany nanomboka teo, izy no tsy manana vady fa lasan'izy roalahy zokiny avokoa.
Nitohy ihany ny tantara. Tapa-kevitra indray zandrikely fa haka vady fanintelony. Nihevitra izy tamin'izay fa hilamina ny fiainan'izy rehetra satria efa samy manana amin'izay. Tsy izany anefa ny zava-niseho fa nalain'ilay lahimatoa indray io vady fanintelony io. Raha nahita izany kosa ilay vady voalohany indrindra dia lasa niverina tany amin'ilay naka azy voalohany, ilay faralahy izany.
Teo no nitranga ny tsy nampoizina. Tezitra mafy tokoa ilay zokiny indrindra ary nandefa rahom-bava tany amin'ilay zandriny. Nandrahona ny hamono mihitsy aza, araka ny vaovao. Fantatr'ilay faralahy ny zavatra mety hitranga ka niala tao amin'ny tranony izy sy ilay vehivavy. Nodoran'ilay zokiny moa ilay trano avy eo.
Remi. Rakotoniriana
 
Lire aussi 
Talata Volonondry : Fiara latsaka tany anaty hady


2441midi-mg-002835-4208-15052008 Fatin-jaza tao anaty tatatra
Toamasina.
Fatin-jaza tao anaty tatatra
ZoBe


2442midi-mg-002837-4210-15052008 Telolahy nisaron-tava naka an-keriny zaza roa
KIDNAPPING. Nisehoana fangalana an-keriny zazavavy roa tany Antsirabe tamin'ny talata hariva lasa teo. 10 tapitrisa no saika halain-dry zalahy.
Telolahy nisaron-tava naka an-keriny zaza roa
Tamin'ny talata hariva tokony ho tany amin'ny 5 ora sy sasany tany, zazavavy roa samy hafa, 10 taona sy 13 taona, tsy mifankahalala akory no nosamborin'olona telolahy nisaron-tava teny amin'ny lalana ho any Andranomafana. Nirava avy nianatra tao amin'ny CEG ireto ankizy ireto. Avy hatrany dia nobatain-dry zalahy ary nampidiriny tao anaty kamiao. Rehefa izany dia voalaza fa nofatorana ny tongony ary notapenana voridamba ny masony.
Araka ny fantatra dia nentin'ireto mpaka an-keriny teny Voajanahary izy roa ary nampidirina tanaty trano. Asa izay niseho fa nodarohan'ireto jiolahy ireto ilay zaza 10 taona ary mangana ny faritra maromaro amin'ny lohany. Noteren'ireto bandy ireto hanome ny nomeraon'ny telefonin'ny ray aman-dreniny izy roa. Asa na namaly ilay zaza iray ka izany no antony nahavoadaroka azy. Avy eo dia nampitahoriny sy nilazany fa raha tsy manome vola 10 tapitrisa ireo ray aman-dreny ireo dia hovonoiny ho faty ireto ankizy amin'ny zoma. Rehefa izany dia novahany ny fatotra ary nohidiana tanaty efitrano iray ireo nalaina an-keriny.
Rehefa maraina ny andro, nisy hazavana hitan'ireo ankizy tamin'ny varavarankely. Nandraman-dry zareo novahana izany ka nivoha. Teo izy ireo no nitsambikina ary lasa nandositra. Tsy dia lavitra teo fa eo Mahazoarivo ny tranon'ilay iray 10 taona ka nody avy hatrany izy nampandre ny ray aman-dreniny. Ireo no lasa nametraka fitoriana tany amin'ny polisy. Ilay zaza nentina tany amin'ny hopitaly. Nalaina izy avy eo nanoro ny trano nitazonana azy. An'ny orinasa iray eto Antsirabe   io trano io. Ny mpiambina amin'ny antoandro no tratra tao. Io no nanontaniana izay niasa alina. Nalaina ity farany ity natao famotorana mba hilaza izay olona niditra tao tamin'io alin'ny talata io. Tazonina any amin'ny polisy izy io amin'izao fotoana izao. Ireo naka an-keriny   kosa tsy mbola fantatra. Mandeha hatrany ny fikarohana azy ireo.
Lova
Toamasina : Fatin-jaza tao anaty tatatra
 


2445midi-mg-002841-4249-17052008  L'opposition doit exister 
 L'opposition doit exister 
Politique 

2462midi-mg-002859-4270-17052008 Mpangalatra omby nokakerin'ny fanenitra, nivonto be ny lohany
Mpangalatra omby nokakerin'ny fanenitra, nivonto be ny lohany
Nivonto be ny lohan'ity dahalo iray mpangalatra omby, vokatry ny fanekeran'ny takola fanenitra azy. Teo ampandosirana izy io no voakaikitra. Very hatramin'ny kapany, tavela teo ambody hazo. Avy amin'izany no nahafantarana azy. Olona tsy lavitra fa monina eo amin'ilay tanana nangalarany omby ihany.
Efatra ireto dahalo ireto no niaraka ary efa tratran'ny fokonolona izy ireo amin'izao fotoana izao. Tamin'ny alatsinain'ny pantekoty teo, niditra tao an-tananan'Ankibon'ny Merina Ampamiongana, 36km avaratra andrefan'i   Tsiroanomandidy ireo jiolahy, sahabo ho tamin'ny 2 maraina,   nikasa hangalatra ny ombin'olona tao an-tanana. Teo ampamoahana ny omby izy ireo no tsikaritry ny tompon'omby, ka niala maina. Tsy nandositra avy hatrany nefa ireto olon-dratsy fa mbola   nanao tampody fohy tao am-bala, nandefona sy   namono ny omby. ny iray maty teo no ho eo, ny efatra tapatatapaka sy maratra be. Nihevitra ireo jiolahy ho efa lasa nandositra ny tompon'omby   ka tsy nahatsikaritra akory fa maty ny omby tao am-bala.
Ny maraina handeha hamoaka omby hiraoka ahitra vao taitra   ny iray tanàna fa tsy tafarina tao am-bala intsony ny omby sasany, natao avy hatrany ny fanarahana ny dian'ireo nahavanon-doza ka tratra tao ampototry ny hazo feno biby fanenitra ny ila- kapa iray. Nantsoina ny olona rehetra teo amin'ny tanàna sy vohitra manodidina nanaovana fanadihadiana amin'izay tompon'ilay kapa very, teo no nahatratrarana lehilahy iray nivonto endrika voakaikitry ny biby (fanenitra: bibikely toa ny tantely), nohamarinina tokoa ka azy ny kapa.
Nibaradaka nanondro ireo niaraka taminy ny lehilahy ary nilaza fa nokakerin'ny fanenitra teo ampandosirana izy ka latsaka ny kapany.
H.J


2462midi-mg-002860-4271-17052008 Mpitsara sandoka roalahy nikasa hivarotra fatim-by efa &quot;saisis&quot;
Mpitsara sandoka roalahy nikasa hivarotra fatim-by efa saisis
Ireo fatim-by noksainy hamidy ireo dia ana teratany morisiana izay efa voaraoka niala teto Madagasikara. Efa nogiazan'ny fitsarana ireo entana ireo, dia dia izao saika hamidin'ireto mpisoloky ireto. Nandeha nanatona ilay mpividy ry zalahy ary nitonona ho mpitsara ny iray. Afaka mitondra taratasy (ordonnance) izy, araka izany, hamarotana ireo vy izay efa nongiazan'ny fanjakana. Rehefa nahita ilay ordonnance anefa ity mpandraharaha dia mahina avy hatrany. Nandeha nanatona ny brigade spéciale'ny zandary nametraka fitoriana.
Nandeha avy hatrany   ny famotorana ka avy amin'izany no nahatratrarana ireo mpisoloky ireo. Fantatra fa tsy mpitsara velively izy ireo fa nisandoka fotsiny ihany.   Ilay ordonnance koa dia hita fa hosoka. Tsy vao izao akory ireto olona ireto no nisandoka toy izany fa efa elaela ihany. Olona maro no efa voany tamin'izany. Ny anaran'ireo mpitsara ambony ao Anosy ao no nentiny nanano ny asa ratsiny. Ilay lehilahy faharoa dia tsy iza fa ny mpiambina ireo fatim-by. Mitentina any amin'ny 6 tapitrisa Ar any ireo zavatra ireo.
Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ka manao fanentanana ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany, ka hampandre azy ireo raha vao misy zavatra mampiahiahy.
r.s.
Brèves


2478midi-mg-002877-4321-20052008 Fiaram-bazaha voaroba
Ambodivona
Fiaram-bazaha voaroba
Lasa ny lamba, ny fitoeram-bola, ny carte de crédit, ny vola vahiny 200 Yens, ny fakan-tsary sy ny entana maro tao anaty fiara. Tetsy Ambodivona no nisehoan'izany, afak'omaly. Fiarana teratany Japoney napetraka teo amin'ny manodidina no norobain-dry zalahy. Havanana amin'ny fanapitsohana varavaran'ny fiarakodia ireo roa lahy nahavita izany. Mpangalatra autoradio raha ny marimarina kokoa. Ny fihetsik'ireo roalahy taorian'ny nahazoany ireo entana no nahamahana ny pôlisy teo amin'ny manodidina. Nosamborina izy roa lahy ary dia voamarina tokoa fa tena avy nangalatra. Ankoatra an'ireo entana azony dia mbola tsy hita kosa izay nanjavonan'ny taratasim-bola misy totalim-bola 1.650.000 Ariary.
D.R


2478midi-mg-002878-4322-20052008 Notsaraina tany Ambatolampy
Zaza maditra
Notsaraina tany Ambatolampy
Tadidin'ny tsirairay tsara ny momba ny fisamborana ireo zaza maditra tao Antsiranana. Notsaraina omaly tao Ambatolampy ny raharaha. Hatreto aloha dia fikambanan-jiolahy no iampangana azy ireo. 22 amin'ireo zaza no efa notazonina eny Anjanamasina. Ny 15 ambiny dia teny Antanimora sy Antsiranana. Mpitsara avy any Diégo no mandray an-tanana ny raharaha. Saika avy any amin'ny faritany avokoa ny mpiaro ireo voarohirohy. Taxi-brousses roa nofaina avy any Diégo no nitondra ireo ray aman-drenin'ireo ankizy. Tomefy mpitandro   filaminana ny Lapan'ny Fitsarana tao Ambatolampy. Omaly tamin'ny 11 ora latsaka fahefany alina no nivoaka ny didy. Ho hitantsika eto ny valin'izany rahampitso.
r.s


2478midi-mg-002879-4323-20052008 May teo am-panaovana   clip 
May teo am-panaovana   clip 
Tamin'ny alatsinainy nahafaty an'ity tovolahy ity, nivoaka kely ny tanana ry zareo hanao clip. Miisa 12 izy ireo no ao anatin'ny tarika.
Mamy A.


2490midi-mg-002892-4338-21052008 Zandary naiditra am-ponja
FANDROBANA. Zandary mbola mianatr'asa ary vao tsy ela no naha-zandary azy. Saingy efa nahavanon-doza sahady...
Zandary naiditra am-ponja
Nandalo Fampanoavana izy omaly ary dia naiditra am-ponja vonjimaika etsy amin'ny fonjan'Antanimora. Niara-nisotro tamin'ny namany tao amin'ny bar iray tetsy Nanisana izy io ny harivan'ny alahady teo. Nilamina tsara izany. Saingy tampoka teo dia nasainy nivoaka ny namany. Nanatona ny mpivarotra izy. Navoakany ny basiny. Norahonany tamin'io fitaovam-piadiana io itsy voalohany mba hamoaka ny vola ao anaty caisse. Saingy tsy nanaiky mora foana ilay rangahy. Raikitra arak'izany ny fifanjevoana. Nifanampy ny olona tao amin'ilay toeram-pisotroana ary dia voatàna ihany ilay zandary. Azo soa aman-tsara ihany koa ny basiny. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Natolotra ny mpitandro ny filaminana ilay nahavanon-doza. Nitory ny tompon'ny fivarotana noho ny zava-nihatra taminy ary dia io niafara tamin'io fampidirina am-ponja io.
Mianatra asa
Raha araka ny fantatra dia zandary vao mianatr'asa izy. Vao haingana arak'izany ihany koa no nivoahany ny sekoly. Mbola ny vaovao hatrany no nahafantarana fa miasa eo anivon'ny banky lehibe iray eto an-drenivohitra io farany. Mateti-pitranga ny fampiasan-kery ataon'ny mpitandro ny filaminana noho ny fananany basy. Na ny marimarina kokoa, ny fampiasany fitaovam-piadiana tsy amin'antony. Azo raisina ohatra akaiky ny famonoana am-basy nataon'ny pôlisy tamin'ny komandan'ny tafika iray rehefa nifamaly kely izy ireo. Eo ihany koa ny fitifiran'ny zandary iray olon-tsotra, tetsy Tanjombato, raha tezitra izy ka tsy nahatoitra fo. Manazava izany fa ilaina ny fanaovana fanadihadiana lalina ireo olona izay omena alàlana hitam-basy. Na sivily io, na...miaramila.
D.R 


2490midi-mg-002893-4339-21052008 Efatra notanana any m-ponja, maro ny nahazo sazy mihantona
ZAZA NANIA AVY ANY DIEGO.
Efatra notanana any m-ponja, maro ny nahazo sazy mihantona
Araka ny efa nosoratana teto omaly dia tamin'ny alatsinainy teo no natao tany Ambatolampy ny fitsarana ireo ankizy miisa 37 voarohirohy ho nanao heloka maromaro tany Antsiranana, ary nanangana fikambanan-jiolahy. Efa tena alina vao nivoaka ny didy. Fantatra tamin'izany fa nahazo ny sazy sahaza azy avy ny tsirairay. Efatra araka izany no nalefa any am-ponja. Enim-bolana ka hatramin'ny taona iray no saziny. Nisy ihany koa ireo nafahana noho ny fisalasalana. Ny ambiny sisa kosa, anisan'izany ireo 22 nalefa teny Anjanamasina, dia voasazy, sazy mihantona avokoa. Samy nahazo fanalefahan-tsazy izy ireo noho ny tsy mbola maha ampy taona azy.
Ny mpitsara, nandritra famakiana ny didy, dia nanao anatranatra ho azy rehetra ary nampahatsiahy hatrany fa tsy tokony hamerina ny zavatra efa vita intsony izy ireo. Raha izany mantsy no hiseho dia hihatra avy hatrany ireo sazy voatonona ho an'ny tsirairay. Izay vao hampiharina indray ny sazy vaovao.
Vao maraina no nanomboka ny fitsarana. Tsy azon'ny olona natrehana anefa izany satria zaza tsy ampy taona avokoa ireo miseho fitsarana ireo. Ny ray aman-drenin'izy ireo na ny mpiantoka azy tsirairay no niaraka niditra taminy.
Tsiahivina fa mpitsara avy any Antsiranana avokoa no nanatontosa ity fitsarana ity.



2490midi-mg-002894-4340-21052008 Olona 56 narary nihinana henan'omby matin'ny aretina
Mananjary.
Olona 56 narary nihinana henan'omby matin'ny aretina
Olona 56 no fantatra fa nanary noho ny fihinanana henan'omby matin'ny aretina. Toy izao ny fisehoan'ny aretina, marary, mandoa, mivalana, mafana ny hoditra, marary ny hatoka ary hita fa maina izany ny vatany. Tany amin'ny tanana atao hoe Fotatra kamonina Namorona no nisy ity fanapoizinana ity, tamin'ny faran'ny herinandro teo. Naharitra telo andro no nararian' ilay omby. Tamin'ny andro fahefatra dia maty ilay izy. Raha nahita izany tompony dia norasainy ny omby ary namidiny teo an-tanana. Maro ny olona nandray anjara tamin'ny fanavotana.
Araka ny vaovao, ireo izay nahandro ny hena dia tsy nisy naninona mihitsy; ireo izay nitono kosa sy nanao kitoza no voan'ny fanapoizinana. Nampilazana haingana ny tomponandrikitra tany Mananjary. Tonga tany an-toerana ny dokotera nitondra fanafody. Rehefa nahazo izany ireo olona marobe narary dia sitrana avokoa ary tsy misy atahorana intsony ny fahasalamany. Tamin'ny alatsinainy ihany dia efa afaka nandeha nody.
Nisy olona folo tamin'ireo voa no nangalana rà, izay efa nalefa aty amin'ny Institut Pasteur, hamatarana tsara izay zavatra namparary azy ireo. Ilay omby kosa, araka ny filzan'ny mpitsabo biby dia tsy voan'ny aretin'omby mahazatra fa toa hoe narary fotsiny teo. Tsy nihinan-kanina nandritra ireo telo andro voalaza etsy ambony.
HAR 


2490midi-mg-002895-4341-21052008 Maty nokapakapaina tamin'ny famaky
Tsiroanomandidy.
Maty nokapakapaina tamin'ny famaky
Ny ainy nanefa ary tsy tonga tao antokantranony intsony ity lehilahy iray tokony ho 55 taona,  avy nijery fety (savika) ny alatsinain'ny pentekoty teo, teny an-dalana nandeha nody izy no nisy namono, ka ny ny fatiny sisa ny alarobia maraina, no hitan'ny mpiandry kisoa teo amin'ny ranon'Ambatotsalaka Ambohimahavelona, sahabo ho 11 km miala ao Tsiroanomandidy.
Diam-pamaky efatra no hita teo amin'ny lohany . Teo amin'ny  farahatony, ny fihirifany, ny handriny, sy ny saokany dia samy nofirafiraina tamin'ny famaky.
Tsy fantatra mazava izay antony namonoan'ny olona ity lehilahy lehibe ity, ny mateti-pitranga amin'ireo olona misy mamono nefa tsy fantatry ny fianakaviany dia mianga  avy amin'ny disadisam-piaraha-monina sy ny faminganana namana ary ny lonilony eo amin'ny samy mpiara-miasa.
Eny amoron-drano na any an-kady hatrany no ahitana ny fatin'ireo olona ireo, ary ny mpiandry omby sy ny fofona avy amin'ny faty efa simba sisa no ahafantarana  ny fisian'ny razana tsy fanta-pihaviana.
H.J. 


2532midi-mg-002938-4388-22052008 Ra-Swing karateka 6e dan maty voatifitra
ASAN-JIOLAHY. Tamin'ity taona 2008 ity no nahafatesana jiolahy be indrindra.
Ra-Swing karateka 6e dan maty voatifitra
Maty voatifitry ny polisy avy ao amin'ny GIR, SAG ary ny BC ny jiolahy kalaza iray mitondra ny anarana hoe Rajaonarivelo Jeannot na Ra-Swing. Olona efa nigadra teny Tsiafahy izy io ary hita tany aminy ny taratasy milaza izany. Mpahay haiady karate malaza ihany koa izy ary manana ny grady 6e dan. Tratra tany amin'ity namoy ny ainy ity ny basy PM iray miaraka amin'ny bala 60 sy basy PATT misy bala 4.
Nifampitifitra
Teny Andohatapenaka no niseho ny fifampitifirana teo amin'ny mpitandro filaminana, andaniny, ny jiolahy, ankilany. Naharay antso an-telefonina avy amin'olon-tsy fantatra ny polisy fa misy olona telo mampiahiahy mihaodihaody eny an-toerana akaikin'ny tetezana tsy lavitra ireo mpanao fatapera. Nandeha teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tamin'ny 10 ora alina, indreny tokoa olona telo tonga. Vao nahita ireo polisy anefa ry zalahy dia rifatra nandositra. Nanao tifi-danitra ireo polisy ho fampitandremana. Tifitra variraraka no namalian'ireo jiolahy izany. Raikitra ny fifanjevoana ka tamin'izany no nahalavo an-dRa-Swing, voatifitra teo amin'ny lohany. Tamin'ny fisavana azy no nahitana ireo basy voalaza ery ambony sy ny taratasy fanamarihana ny fivoahana avy any am-ponja. Fanafihana mitam-piadiana nataony tamin'ny taona 2000 no nidirany teny Tsiafahy. Tany koa ny kara-panondrony sy ny karatra manambara ny maha mpiangaly haiady azy.
Tsy mikely soroka ny mpitandro filaminana amin'ny ady atao amin'ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy.



2532midi-mg-002939-4389-22052008 Olona roa maty kilan'ny afo
Itaosy
Olona roa maty kilan'ny afo
Olona roa, lahy sy vavy, no fantatra fa maty kilan'ny afo teny Amboatavo Itaosy, ny talata alina teo. Trano iray lehibe misy rihana io nirehitra io. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny afo. Tsy afaka nanavo-tena noho ny fisian'ny grille de protection izy ireo.
Mpampianatra eny amin'ny oniversite ilay lehilahy ary sipany ilay vehivavy.
Asa sarotra
Tamin'ny 12 ora sy sasany ny mpamono afo avy etsy Tsaralalàna no tonga teny an-toerana. Efa tany amin'ny 3 ora sy sasany maraina tany vao voafehy ny afo. Sarotra ny asa, hoy ny tomponandraikitra iray avy ao Tsaralalàna. Lavitra ny toerana misy rano fa tsy mba misy irony antsoina hoe bouche d'incendie irony eny. Tsy maintsy nivezivezy naka rano teny Ampasika ireo fiara. Mahatratra hatrany amin'ny 6 900 litatra any no zakany indray mandeha. Nifandimby ireo fiara ireo, araka izany, ny iray mamono ny afo, ny faharoa mandeha mameno ny citerne.
Nisesisesy ny hain-trano teto an-drenivohitra. Ny iray niseho tetsy amin'ny 67 Ha. Olona roa ihany koa no maty tamin'izay. Samy tsy nisy afaka nandositra ireto niharam-boina ireto noho ny fisian'ny grille de protection ihany koa.



2540midi-mg-002948-4427-24052008 Tsy nahazo fahafahana vonjimaika
VONINAHITSY. Feno hipoka indray ny efitrano Fitsarana omaly. Manaporofo izany fa mbola arahin'ny maro maso akaiky ny raharaha mahakasika olo-maventy toy itony...
Tsy nahazo fahafahana vonjimaika
Nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika. Nahemotra amin'ny 13 jona ho avy izao koa ny famoahana ny didim-pitsarana. Ireo no isan'ny nisongadina tamin'ny Fitsarana an'i Voninahitsy Jean Eugène, solombavam-bahoakan'i Maintirano teo aloha. Raha tsahivina dia firaisana tsikombakomba tamin'ny fahavakisan'ny fonjan'Antanimora no niampangàna azy. Tranga izay niseho ny 09 jolay 2006. Sarona teny amin'ny iray tamin'ireo jiolahy voasambotra ny basy izay rehefa nohamarinina ny laharany dia fantatra fa an'i Voninahitsy. Feno hipoka indray ny efitrano Fitsarana tetsy Anosy omaly.
Natsahatra kely
Tao ny havana aman-tsakaizan'i Voninahitsy sy ireo voarohirohy niaraka taminy. Ny tena nisongadina dia ny fahitana mpanao pôlitika maro nifandimby nivezivezy sy nitsidika teny. Isan'izany ry Laurent Ramaroson, Ramasy Adolphe sns. Nisongadina ihany koa ny nanatsaharana kely ny fitsarana mba hangalàna ny iray tamin'ireo voarohirohy tany am-ponja. Teo vao nanao ordre d'extraction - na taratasy fanomezana alalana voafonja mba hivoaka ny toerana nitazonana hanaovana fanadihadiana - ny Fitsarana. Ora roa mahery taty aoriana vao tonga io farany ary dia teo indray vao niverina notsaraina ny raharaha. Tantara mitohy...
Didi R. 


2540midi-mg-002949-4428-24052008 Tovolahy maty nananton-tena teny ambony letchis
Famonoan-tena
Tovolahy maty nananton-tena teny ambony letchis
Nafototr'ity tovolahy iray tamin'ny tady ny tendany, niakatra teny ambony letchis izy. Nafatony tamin'ny hazo ilay tady ary nitsambikina izy. Nihantona teo ilay lehilahy ary voalazan'ireo izay nahita fa saika tapaka mihitsy ny tendany. Tonga dia nihazakazaka ny olona nijery ary ireo tonga voalohany mbola nahita azy nihetsika kely. Tamin'ny alakamisy teo no nitranga ity zavatra ity tany amin'ny tanàna atao hoe Anaboafo kaominina Andranoveraka any Sambava.
Hatramin'izao, tsy mbola fantatra ny antony namonoan'ity tovolahy ity tena. Rehefa nanontaniana ny rainy dia nilaza fa mety ho olana eo amin'ny fiainany. Tamin'ny volana marsa, araka ny filazan'ilay rainy ihany, niteraka ny vadiny. Tsy azo anefa ny zaza ary nanaraka mbamin'ny ain'dramatoa mihitsy aza. Izany hoe, maty teo am-piterahana ny vadiny, ny zanany koa nafoy.
Mifamahofaho be ihany ny resaka mikasika ity zavatra ity. Ny olona sasany indray miteny fa toa manana olana tamin'ny asa nataony ity tovolahy ity. Toa hoe naka vola taman'olona izy nanaovany aferana lavanila. Asa na nahomby ny tsena na tsia. Ny voalazan'ireo mpiara-monina dia hoe tafidi-trosa ny anao lahy.
Mamy A. 


2540midi-mg-002950-4429-24052008 Mila fanampiana
Mila fanampiana
Mila fanampiana haingana amin'ireo rehetra malala-tanana ingahy Rakotozandriny, 40 taona. Tratran'ny aretina atao hoe tumeur cérébrale izy. Efa nodidiana izy tamin'ny volana oktobra 2007. Niverina indray anefa izao ny aretina ka tsy maintsy haverina ny fandidiana. Mihombo isan'andro ilay aretina. Tsy maintsy esorina haingana. Efa ela izy no tsy afaka niasa intsony noho io aretina io. Tsy ampy intsony ny eo am-pelatanana hoenti-miatrika ny fandidiana sy ny traitement manaraka.
Araka izany, miangavy sy mangataka fanampiana amin'ireo rehetra malala-tanana izy mba hanolotra izay foy ho fanampiana azy.
Arotsaka ao amin'ny compte BOA 05600/1885 890 0006/12 izay foinareo.


2540midi-mg-002951-4430-24052008 Voka-dehibe
FJKM Antsampandrano Mananara
Voka-dehibe
Tonga indray ny fotoana hanatanterahantsika taranaky ny FJKM Antsampandrano Mananara ny voka-dehibe fanao isan-taona. Hotontosaina amin'ny alahady faha-25 mey izao izany any an-tanindrazana. Koa antsoina isika rehetra hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja hanatratrarana ny ezaka. Mila ny fandraisana anjaran'ny tsirairay izany ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Hisy ny fiara iombonana ho raisina eo amin'ny Shoprite Andravoahangy (ex Solo Prix).  Amin'ny 6 ora sy sasany maraina ny fiaingana.


2540midi-mg-002952-4431-24052008 Tapatapany
Tapatapany
 - Lozam-pifamoivoizana, mpanao gazety iray namoy ny ainy. Loza mahatsiravina no niseho tamin'iny lalam-pirenena faha-4 iny omaly tamin'ny 5 ora maraina, teo amin'ny PK 105, 10 km miala an'Ankazobe. Namoy ny ainy tamin'izany ny mpanao gazety avy ao amin'ny RNM Clarisse Razanajafy. Avy namita iraka tany Mahajanga izy izao niharam-boina izao. Voalaza fa nandeha mafy ilay fiara, nidona tamin'ny ampetany ary nivadibadika. Naratra avokoa ireo mpandeha sasany.
 - Fivarotantena, raofina ireo tsy ampy taona. Hetsika lehibe no hotontosain'ny polisy avy ao amin'ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona. Omaly dia vehivavy mpivarotena miisa enina no nosamborina teny amin'ny faritra Ampefiloha. Nahazo vaovao ny polisy fa feno ankizy tsy ampy taona mivarotena eny. Tamin'ny alarobia alina, tonga ny mpitandro filaminana saingy tafaporitsaka ireo mpivarotena ireo. Tonga teny an-toerana indray ny polisy omaly. Tamin'izany no nisamborona ireo olona enina. Rehefa natao anefa ny famotorana dia efa ampy taona avokoa izy ireo saingy tsy manana karatra.



2565midi-mg-002978-4458-26052008 Maty voadonan'ny fiara ny solotenan'ny RNM
MIARINARIVO.
Maty voadonan'ny fiara ny solotenan'ny RNM
Maty voadonan'ny fiara teny Fenoarivo ny solotenan'ny RNM any Miarinarivo. Razanajatovo Armand no anarany. Nandeha bisikileta izy sy vadiny. Nisy fiara taorian-dry zareo. Rehefa teo akaikin'ny fivarotan-dasantsy maty io anefa dia voadona ilay bisikileta. Nianjera ireto mpivady. Tamin'izay indrindra no niakapoka tamin'ny vato amin'ny sisin-dalana ny lohan'ilay rangahy. Maty teo no ho eo izy. Ny vadiny kosa naratra saingy voalaza fa tsy dia naninona loatra. Ilay bisikileta koa tsy dia nisy fahasimbana firy.
Tao antin'ny roa andro, mpiasan'ny RNM roa izany no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tamin'ny zoma no nindaosin'ny fahafatesana Clarisse Razanajafy.
16 naratra
Tamin'ny faran'ny herinandro dia maromaro ihany ny lozam-pifamoivoizana niseho teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankoatra io voasoratra eo ambony namoy ny ainy io, dia olona 16 no naratra. Tany Mahitsy, lehilahy iray niampita araba no voadonan'ny fiara. Ny vaovao no nahalalana fa  efa somary tafiditra ity olona ity. Amin'izao fotoana izao dia mbola tsy mahatsiaro tena izy. Tany Manjakandriana, fiara 4L iray niditra fiolahana. Tsy voafehy ny familina ka niantefa tamin'ny kodiarana kamiao. Avy eo latsaka tany anaty tatatra. Naratra avokoa ny olona dimy tao anatiny. Ilay fiara potika tanteraka. Teny Sabotsy Namehana, taxi-be sy moto no nifandona. Naratra ilay nitondra moto. Teny Mahazo ny harivan'ny zoma, tapaka frein ny kamiao iray ka nifandona tamina taxi-be. Olona sivy no indray naratra.



2565midi-mg-002979-4459-26052008 Mbola nanaraka ihany ny sazy
Zaza mania.
Mbola nanaraka ihany ny sazy
Tamin'ny 11 ora alina no tonga teto Diégo ireo zaza mania, nalefa, tany Anjanamasina. Ny alakamisy no nahatongavan'izy ireo, ka tany amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany no nandraisana azy ireo. Nanomboka tamin'ny sivy ora alina dia efa vory ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana niandry ny fahatogavan'ireo ankizy ireo. Horakoraka sy hafaliana no nitsenana azy 28 mirahalahy. 22 ny ankizy tsy ampy taona; 5 efa olon-dehibe na ( majeurs). Misy iray hafa 19 taona no nahazo sazy enim-bolana, folo andro ny sisa, ka nentina aty Antsiranana. Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra dia misy ny nahazo sazy mihantona, tao koa ny nafahana noho ny fisalasalan'ny fitsarana.
Anjanamasina
Mahakasika ny fitaizana azy ireo tany Anjanamasina, nilaza ireo ankizy nanontanianay fa tsy nisy ny zavatra nanahirana ary tsara ny fandraisana azy ireo  tany Antananarivo. Saingy indro kely dia ny tsy fiovaovan'ny sakafo indrindra ny resaka  laoka. Tetsy andaniny kosa, ny ray aman-dreny nilaza ny hafaliany  tamin'ny fahatongavan'ny zanany, fa mbola tsy faly kosa tamin'ny fandefasana azy ireo  tany Anjanamasina Antananarivo. Na dia teo aza izany dia tsy mbola misy kosa ny fanambarana nataon'ireo ray aman-dreny ny hanao fihetsiketsehana  hafahafa. Ny mahalasa saina ny maro izao dia ny hoe: ahoana ny mety ho fandraisan'ireo ankizy namany ireto zaza ireto, na eo amin'ny fiaraha-monina izany na eo anivon'ny sekoly nisy azy. Raha tamin'ny alin'iny alakamisy iny dia hita fa saronkenatra ihany ireo ankizy ireo raha nahita ny fianakaviany.
Fisaorana
Ny nampalahelo ny ray aman-dreny sasany ihany koa dia ny tsy fahitana ireo ray aman-dreny teto antanana tamin'ny fitsenana ireo ankizy ireo, na ny mpitondra izany na ireo sojabe. Fisaorana kosa no nataon'izy ireo tamin'ny ezaka nataon'ny fitondram-panjakana tamin'ny fanampianana azy ireo, ka nahafahany niantrika ny fitsarana ireo zaza tany Ambatolampy. Tamin'iny alina iny ihany dia efa samy naka ny zanany ny ray aman-dreny tsirairay raha vantany vao vita ny fombafomba rehetra. Marihina fa teo an-tokotan'ny fitsarana no nanaovana ireo rehetra ireo.
V.JCL 


2565midi-mg-002980-4460-26052008 Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo 
Fenoarivo Be
Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo 
 Nifanehatra tao anaty kizo ny dahalo sy ny fokonolona mpanara-dia ny talata 13 mai teo, nanoloana ny asan-dahalo nitranga tao an-tananàn'i Mirary fokontany Miandrarivo I kaominina Firavahana district Fenoarivo Be. Nirongo fiadiana miaraka amin'ny basy ireo dahalo, izay tombanan'ny fokonolona fa tsy latsaky ny efa-dahy, lasan'izy ireo tamin'izany ny omby telopolo. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona fa avy hatrany dia nanenjika sy nanaraka ny dian'ireo dahalo.
Nitsoka kiririoka ireo dahalo nandrahonana ny teo an-tanàna sahabo tamin'ny efatra tolakandro, tampoka ny fanafihana raha mbola variana amin'ny asa aman-draharaha fanao andavanandro ny mponina. Mandra-pahavononan'ny fokonolona amin'ny fanenjehana dia efa niditra ny aizina, maizim-bolana rahateo ny andro ka mampanano sarotra ny fijerena ny dian'omby.
Niafina tao anaty kizo ireo dahalo ary niandry izay fahatongavan'ny mpanenjika, teo no nifandona ka voatifitra teo amin'ny tapikandriny ny lehilahy iray ary maty avy hatrany.
Mbola nitohy fifanenjehana, votsotra teo amin'ireo dahalo ny omby fito ary novonoiny teny an-dalana handrebirebena ny mpanenjika ny omby roa, ny omby 21 kosa mbola karohina hatramin'izao.
H.J. 


2565midi-mg-002981-4461-26052008 Milaza ho pasitera dia misoloky.
Andapa
Milaza ho pasitera dia misoloky.
Lehilahy iray no nilaza fa pasitera ary mitory teny amin'ny olona. Hay fomba nanaronana ny fisandohana nataony fotsiny izany. Tany amin'ny tanana atao hoe Maitsohangana any Ambodivoara no nanaovany izany fitoriana teny izany. Rehefa zatra azy ny olona dia nisy iray nindramany moto sy  attaché case hoentiny handeha  hifindra tanana. Ity farany ity moa nampiatrano azy mihitsy. Nentim-pahatokisana loatra angamba ity olona ka nanome tsy nisalasala. Nandeha ny andro maromaro, tsy niverina intsony ny anao lahy.
Narahana tany amin'ny toerana notondraoiny. Rehefa tonga tany Ambohitopoina ireo mpanaraka, hita tany aman'olon-kafa ny moto sy ny valizy saingy tsy tao Ilay mpisandoka. Nilaza hono izy, rehefa niala tao amin'ny trano hafa nivantanany, fa hanaraka olona mpividy vato any Mandritsara. Voan'ny fandraikirekena koa nagmba ny olona tao fa nahazoany vola mitentina 1 tapitrisa Ar. Toa ilay moto sy ny valizy izay tsy azy akory no nataony antoka. Dia iny izy tsy noverina intsony ary mbola karohina hatramin'izao.
Mamy A. 


2565midi-mg-002982-4462-26052008 Tapaka ny tendany voafiran'ny kalaza
MANANJARY. Ny tendrom-po tsy mba namana, hoy ny fiteny ary rehefa tezitra mahavita zavatra tsy hay eritreretina.
Tapaka ny tendany voafiran'ny kalaza
Indroa no voan'ny antsy lava ny faritry ny lohan'ity rangahy lehibe iray 62 taona. Teo amin'ny fihirifany sy teo amin'ny tendany. Nofo kely sisa no nihazona ny lohany tsy hianjera tamin'ny tany. Maty tsy tra-drano izy.
Tany akaikin'ny bac Namorona kaominina Anosiparihy no niseho ity famonoana olona ity, tamin'ny fiandohan'ny volana mey. Samy nivoaka vao maraina ny olona roa, ilay rangahy namoy ny ainy sy tovolahy iray 30 taona. Mifanakaiky ny tanimbary niasan'izy ireo. Araka ny fantatra dia misy rohim-pihavanana amin'ireto olona ireto. Samy mpandova izy ireo. Voamarik'ilay rangahy lehibe fa isaky ny miasa ilay tovolahy dia kikisany ny farihy ary nitariny ny tanimbariny. Tsy naharitra intsony ilay rangahy ka niteny. Raikitra teo ny fifamaliana.
Fahatezerana
 Nentim-pahatezerana ilay tanora. Voarainy ny antsy ary avy hatrany dia nasiany ilay rangahy. Voa teo amin'ny fihirifany aloha. Mbola nasiany fanindroany indray ka niantefa tamin'ny tendany ilay kalaza.
Nijininika ny rà ary dia maty teo no ho eo ilay lahy antitra. Raha nahita izany ilay namono dia niakatra haingana tey an-tanana. Nilaza tamin'ny vadiny izy fa maty novonoiny ilay lehilahy lehibe ka tsy maintsy handositra izy. Ary lasa tokoa ny anao lahy. Tsy nijanona tamin'izao anefa ilay vehivavy fa lasa nampilaza haingana ny tomponandrikitra teo an-tanana. Nenjehina ity nahavanon-doza ary tsy dia mbola lasa lavitra dia tratra.
Nentina tany amin'ny mpitandro filaminana. Rehefa izany dia niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ary notanana am-ponja.
Amin'ny faritra maro menerana ny nosy dia tsy vitsy ny fifamaliana ahafatesana olona ohatra an'izao. Indrindra fa mikasika io tany io. Samy te hanana betsaka mantsy dia manao ny tsy tokony hatao.
HAR 
Lire aussi - Zaza mania : Mbola nanaraka ihany ny sazy - Fenoarivo Be : Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo - Andapa : Milaza ho pasitera dia misoloky 


2578midi-mg-002996-4477-26052008 Tous les résultats
Tous les résultats
Voici les résultats des troisièmes Jeux Corporatifs d'Antananarivo disputés durant le week-end à Mahamasina :
- Football à 7 : Caisse d'Epargne de Madagascar bat SICAM par 1 à 0
- Basket-ball : Colis Express bat SEIMAD par 54 à 31
- Volley-ball : Caisse d'Epargne de Madagascar bat Jovenna par 34 à 26
Pétanque
- Hommes : APMA (Hery, Tsiry, Patrick) bat Alliance Française de Tananarive (Christian, Setra et Rina) par 13 à 12
- Dames : Epsilon (Norotiana et Mariam) bat Jovenna (Mirana et Elisa) par 13 à 2
Tennis de table
- Dames : Vololonjatovo Mamy Léa (Aro) bat Murielle (BNI) par 36 à 27
- Hommes : Ratsimbazafy Maminirina (BNI) bat Rakotozafy Mamy (BFV) par 40 à 38
Tennis
- Dames : Randriantefy Tatum (groupe Prey) bat Rasamuel Miora (Sicam) par 6 à 1
- Hommes -45 ans : Ralijaona Mbolahery (Aro) bat Razafimahefa Naina (RFF) par 6 à 2
- Hommes +45 ans : Ranary Elysée (Air Madaagascar) bat Rakotovahiny Ellis (BNI) par 6 à 2
Belote
Shell (Benantoanina José et Randrianjatovo Solofoniaina) bat BNI (Ramanantsoa Hery et Randriamihanta Arthur) par 178 à 68
Cahier Sports 

2586midi-mg-003005-4488-27052008 Nofongarin'ny jiolahy ny fatin'ilay tovovavy nahiana ho nalevina niaraka @ volamena
ANDAPA. Malaza ny halatra taolam-paty. Tsy latsak'izany koa anefa ny halatra faty lena, na ny marina kokoa, ny fangalarana ny zavatra sarobidy ampombaina ny maty.
Nofongarin'ny jiolahy ny fatin'ilay tovovavy nahiana ho nalevina niaraka @ volamena
Maty ary efa nalevin'ny fianakaviana telo andro ny vehivavy iray nefa dia nofongorin'ny jiolahy mpangalatra izany. Noheverin'izy ireo fa nalevin'ny havany niaraka tamin'ny volamena be dia be ity tovovavy ity ary navadibadik'izy ireo mihitsy ny razana, araka ny vaovao. Rehefa tsy nahita na inona na inona izy ireo dia nakodiany fotsiny teo ary lasa nandeha ry zalahy.
Tany amin'ny tanana atao hoe Ambalanaomby kaominina Doany any Andapa no niseho ity fanimbazimbana sy famakiana fasana ity, tamin'ny sabotsy faha-24 mey lasa teo. Ity vehivavy voalaza fa efa nalevina ity dia malaza tokoa amin'ny fividianana volamena any an-toerana. Araka izany dia anisan'ny manana izy eo amin'ny tanana. Maty tampoka anefa izy io. vao avy nodidiana vao tsy ela akory izy izay. Rehefa sitrana ramatoa dia nilalao baolina kitra, fa izany no fialam-boly tena ankafiziny.
Rehefa vita ny lalao dia nahatsiaro ho narary izy. Nentina haingana tany amin'ny dokotera kanjo dia tsy tana ny ainy. Nikarakara ny fandevenana ny fianakaviana ary tontosa soa aman-tsara izany. Avy amin'ny fahafantaran'ny sasany fa mpividy volamena izy no nahatonga an'ireo ratsy saina ireo nangady ny fasana. Tsy nahita na inona na inona anefa izy ireo.
Miverina indray, indrindra amin'iny faritra iny, ity famongarana ny razana vao avy nalevina ity hangalarana ny zavatra sarobidy hampombaina ny maty. Tany amin'ny fotoana taloha ela tany no nisy izany ary matahotra avokoa ny mponina ny amin'ny fanimbazimbana ny razana sy ny halatra mifandraika amin'izany. Maro ireo mpanao tantara no efa nanoratra izany. Ny malaza  dia ilay hoe mpivarotra lambamena. Hay izy ity, lamba efa namonosana razana no hangalarin'izy ireo ary amidiny indray.
Mamy A. 


2586midi-mg-003006-4489-27052008 Iray maty, 5 naratra mafy
Lozam-pifamoivoizana
Iray maty, 5 naratra mafy
Nahafaty olona indray ny lalam-pirenena teto amintsika. Omaly dia nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona tany Antanambao, Tsiroanomandidy (RN1). Tovolahy iray, 30 taona no maty nofahon'ny fiara Renault 4, ary maty tsy tra-drano. Araka ny vaovao voaray dia nandeha mafy be io fiara nahafaty olona io.
Mbola lozam-pifamoivoizana ihany, niseho omaly maraina tokony ho tamin'ny 9 ora, saingy tamin'ny lalam-pirenena faha-7 (mampitohy an'Antananarivo sy Toliara). Fiara Opel sy Super Goélette no nifandona, teo Ambalavao, kaominina Bongatsara. Saika hihoatra kamiao ilay fiarakely no nifanena tampoka tamin'ilay Saviem mpitatitra olona. Olona 5 no naratra ka ny efatra no tena voa mafy, ary tsy maintsy nalefa teny amin'ny HJRA. Ny iray tao anaty Opel kosa notsaboina tao amin'ny CSBII teo an-toerana ihany.
r.s 


2586midi-mg-003007-4490-27052008 Mikorontana ny Eglizy Anglikanina
Antsiranana
Mikorontana ny Eglizy Anglikanina
Efa aman-taonany izay ny nisian'ny disadisa teo amin'ity fiangonana Anglikanina  teto Antsiranana. Ny alahady lasa teo dia nisy nametraka bandérole fitakiana ny fanesorana sy hanovana ny eveka teo amin'ny vavahadin'ny fiangonana . Talohan'ny fananganana ny cathédrale lehibe tao amin'ny fokontany Avenir dia efa nisy ity disadisa ity ary nampisara-bazana ny kristianina mpiangona mihitsy aza. Hatreto dia tsy mbola mivoaka ny marina amin'ity raharaha ity, fa  ny mpiangona kosa dia efa mizara roa. Ao ny mivavaka ao amin'ny fiangonana teo aloha , fa ao kosa ny mivavaka any amin'ny fiangonana vaovao, izay tarihin'ity eveka ity. Miteraka fifankahalana amin'ny samy mpino izao disadisa izao ary lasa raharaham-pianakaviana mihitsy aza.
V.JCL 


2586midi-mg-003008-4491-27052008 Olona efatra maty voatifitra
Ihosy.
Olona efatra maty voatifitra
Niseho indray ny fifandrinana teo amin'ny mponina, andaniny, ny zandary, ankilany tany amin'ny tanana atao hoe Irina any Ihosy. Vokatr'izany, olona efatra no maty voatifitra.
Namita iraka tany amin'io tanana io ny zandary rehefa nahazo didy fampisamborana avy any amin'ny tiribonaly. Rehefa tonga tao amin'ilay tanana anefa ireo mpitandro filaminana dia voalaza fa nisy ny fikomiana nataon'ireo hosamborina. Tsy nanaiky hanaraka tsotra izao izy ireo ary nanohitra. Raikitra araka izany ny fifanandrinana teo amin'ny roa tonta. Tamin'izany no nahavoatifitra ireo olona saika halaina ireo.
Tsy vao izao no nisy tranga mitovy amin'ity niseho tamin'ny faha-23 mey 2008 tamin'ny 6 ora maraina ity. Taona roa lasa izay, nisy iraka hisambotra olona sahala amin'izao. Raikitra ihany koa anefa ny fifanandrinana. Niafara tamin'ny fitifirana izany. Olona maherin'ny folo no lavo tamin'izany. Nahatonga resabe tokoa io toe-javatra io ary saika nivadika zavatra hafa mihitsy aza.



2586midi-mg-003009-4492-27052008 Adala mpamono olona !  Maty nofaohin'ny môtô  Tsy ampy taona nanolana
VOHIPENO
Adala mpamono olona !
Mihorohoro ny iray fokontany. Mitsoaka avokoa ny olona ary toa lasa mandry andriran'antsy aza ny iray tanàna noho ny gidragidra nataon'ity marary saina iray. Ny antony, notsatohan'io farany famaky in-telo miantaona ny raikeliny, ny asabotsy lasa teo, tao Ambohimanarivo Vohipeno. Miady amin'ny fahafatesana io rangahy io amin'izao fotoana ary mbola arahi-maso ao amin'ny toeram-pitsaboana iray ao Manakara ny toe-pahasalamany. Nahoraka tao an-tanàna ny toe-javatra ary vetivety ihany koa dia nampikorontana ny saim-bahoaka. Indrindra koa raha hitan'ny olona niriaria eran'ny tanàna ny nahavanon-doza, ny ampitson'io ihany. Raha araka ny vaovao avy any an-toerana dia efa notsatohan'io antsy ihany koa ny reniny tamin'ny taon-dasa. Ireo heloka ireo no mikambana no nahatonga ny iray fokontany ho raiki-tahotra amin'ilay marary saina. Hatreto dia mbola miriaria eran'ny tanàna io farany. Mila mandray fanapahan-kevitra ny manam-pahefana !
Andavamamba
Maty nofaohin'ny môtô
Omaly tokotokony ho tamin'ny dimy ora no nisehoan'ity lozam-pifamoivoizana ity. Rangahy fitopolo taona no voadonan'ny môtô teo Andavamamba. Nindaosin'ny fahafatesana io farany noho ny dona nahazo azy teo amin'ny lohany. Tsy nisy rà nivoaka taminy. Saingy fantatra kosa fa hémmoragie interne teo anivon'ny lohany no nitarika ny fahafatesany.
Ampandrana
Tsy ampy taona nanolana
Tsy ampy taona nanolana tsy ampy taona ! Tetsy Ampandrana-Besarety no nitrangan'izany. 13 taona sy 15 taona no nanolana ilay zazavavikely izay sendra nifanena tamin'ireo tao amin'ny elakelan-trano. Natolotra ny Fampanoavana omaly ny raharaha.
D.R - Nangonin'I D.R 


2586midi-mg-003010-4493-27052008 Mpiambina maty nisy namono, feno dian'antsy ny vatany
AMBOHIDRATRIMO. Nisehoana vonoan'olona indray teto Antananarivo omaly. Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana mihitsy ilay raim-pianakaviana.
Mpiambina maty nisy namono, feno dian'antsy ny vatany
Maty nisy namono, ny sabotsy 24 mai lasa teo, tao amin'ny toeram-piasany i René Herivola Andrianarisoa, na i Hery, angent de sécurité, miasa ao amina orinasa iray eny Andohanjozoro, Ambohidratrimo. Ny mpiambina hisolo azy no nahita ny fatiny mitsitra eo amin'ny tany, no sady mihoson-drà. Nandondona mafy tao am-baravarana io mpiara-miasa aminy io. Tsy nisy namoha anefa ny trano, ka voatery nihanika tamboho vao tafiditra tao. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny tompon'ny orinasa nanoloana izao toe-javatra izao. Tonga teny an-toerana ihany koa ny dokotera nanao ny fizahana, ka nanambara fa ny sabotsy tolakandro, manodidina ny amin'ny 3 ora sy sasany ka hatramin'ny 5 ora teo no namonoana an'i Hery. Misy dian'antsy ny lohany sy ny hatony ary ny tanany. Feno diana vono ihany koa ny tenany.
Tsy mazava
Tena mbola tsy mazava aminay mihitsy hatramin'izao ny antony namonoana nyI dadanay. Tsy nisy zavatra very anefa na iray aza, ary tsy mba manana olana na amin'iza na amin'iza izy , hoy i Harisoa zanany vavy. Mbola mistery tokoa ny mikasika ity raharaha ity hatramin'izao. Ary mbola eo am-panaovana famotorana mikasika izao vonoan'olona izao ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Nahitana dian-tongotra marobe ihany koa teo amin'ny toerana nahitana ny razana, ka nitondrana alika mpitsongodia hanaovana ny fikarohana.

Lire aussi - Lozam-pifamoivoizana : Iray maty, 5 naratra mafy - Antsiranana : Mikorontana ny Eglizy Anglikanina - Ihosy : Olona efatra maty voatifitra - Vohipeno : Adala mpamono olona ! 


2631midi-mg-003056-4544-28052008 Lehilahy maty voahosin'ny fiara
Lozam-pifamoivoizana
Lehilahy maty voahosin'ny fiara
Maty tsy tra-drano ny olona iray voahosin'ny fiara tamin'ny alahady teo. Tamin'ny lalam-pirenena voalohany, teo amin'ny tanàna atao hoe Tanambao Mangarivotra, kaominina Ambatolampy eo amin'ny PK 17 raha avy any Tsiroanomandidy ho aty an-drenivohitra, no nitrangan'ny loza. Fiara 4L iray no nandona io olona io. Natory teo afovoan-dalana io lehilahy io ka tsy tazan'ilay mpamily. Noheveriny ho gony saingy rehefa nihananatona ny fiara vao tsikariny fa olona ity nivalampatra teo amin'ny arabe. Tsy tanany intsony ny familiana ka voahosy tao ranamana.
HJ


2631midi-mg-003057-4545-28052008 Fitolahy mirongo basy nanafika tanàna
Asan-dahalo
Fitolahy mirongo basy nanafika tanàna
Nisehoana asan-dahalo indray tany amin'ny faritry Melaky ny 23 mey lasa teo, tao amin'ny tanàna antsoina hoe Andahivahy, Betsiboka. Dahalo fito lahy mirongo basy no nanafika ny tanàna, ka lasan'izy ireo tamin'izany ny omby miisa 130 sy vola 1600000 Ariary. Mboa teny an-kijana ireo omby ireo no noraofin'ireo mpanafika. Sady nanapoaka basy izy ireo no nampihorohoro ny tao an-tanana. Tsy vitan'ny nandroaka omby ihany anefa fa dia nitaky vola tamin'ireo olona tao an-tanàna. Vao nahazo izany izy ireo dia nirifatra nandositra.
Nampandrenesina ny zandary ary natao ny fanarahan-dia niaraka tamin'ny fokonolona. Vao avy nanao fivoriana mihitsy ireo dahalo no niifanehitra tamin'ireo mpanara-dia. Raikitra ny fifanjevoana, ka lasa nirifatra ireo dahalo. Ny omby kosa tafaverina soa aman-tsara tamin'ny tompony. Mbola mitohy ny fikarohana ireto dahalo ireto amin'izao fotoana izao. Manoloana ity firongatry ny asan-dahalo ity dia nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana ka napetraka ny fiambenana isaky ny kizo.
Aina R.


2631midi-mg-003058-4546-28052008 Telo taona an-tranomaizina ho an'ilay nahafaty mpangalatra
Telo taona an-tranomaizina ho an'ilay nahafaty mpangalatra
r.s.


2632midi-mg-003060-4548-28052008 Zaza nampisotroina toaka, narary kibo sy nandoa rà
SAMBAVA. Faritra mbola ahitana tranga hafa mihitsy iny avaratry ny nosy iny. Zavatra tsy hain'ny saina eritreretina indraindray.
Zaza nampisotroina toaka, narary kibo sy nandoa rà
  Zaza efatra no indray narary kibo ary nandoa rà vokatry ny fampisotroana toaka na betsabetsa azy ireo, tany Mandena Sambava. Araka ny fitantaran'ireo ankizy dia ramatoa iray no nanome betsabetsa azy ireo. 6 taona ka hatramin'ny 7 taona ireo zaza ireo ary mpifanolo-bodirindrina. Raha vao nandoa rà ireo dia nentina haingana tany amin'ny hopitaly Ambodiampana. Nosamborina ilay ramatoa nanome toaka azy ireo. Nofotorana izy ka nilaza ny zavatra hafa efa vitany. Tamin'ny taon-dasa, araka ny filazany, efa nisy vehivavy iray nomeny betsabetsa ary maty mihitsy. Nandoa rà koa io raha vao avy nisotro.  
Famosaviana!  
Miendrika famosaviana ity zavatra ity raha ny fandehany no zohiana. Ankoatra ny voalazan'ilay vehivavy tamin'ny famotorana dia fantatry ny mpiara-monina fa efa nisy zaza hafa nampisotroany toaka sy betsa. Tsy ho zakan'ny ankizy mihitsy ireny zavatra ireny.
Fotorana lalina any amin'ny mpitandro filaminana izy amin'izao fotoana izao mba hahalalana marina ny antony nanaovana izany fihetsika izany ity vehivavy ity. Avy amin'izany no tsy maintsy ahalalana na misy zavatra hafa nafangarony an'ilay zava-pisotro na tsia.
Any amin'ny faritra ambanivohitra lavitra any dia mbola manjaka tokoa ny zavatra tahaka izao. Matetika, fialonana no manesika ny sasany hamorika ny mpiara-monina. Ny ankizy anefa no tena lasibatra. Fomba maro no anaovana izany. Fanomezana voankazo nosesehana ody, ohatra. Manana ny fahaizany manokana tokoa ny mpamosavy amin'io. Tsy azo atao, hono, ny mandaka fatim-biby hita eny an-tokontany eny. Raha sanatria misy ankizy manao izany dia hisy zavatra hanjo azy. Efa tamin'ny fotoana taloha anefa izany.
Remi R.
 
Lire aussi 
Fitsarana : Telo taona an-tranomaizina ho an'ilay nahafaty mpangalatra  
Asan-dahalo : Fitolahy mirongo basy nanafika tanàna  
Lozam-pifamoivoizana : Lehilahy maty voahosin'ny fiara


2656midi-mg-003085-4578-29052008 Telo vavy nirava avy nianatra ary mbola tsy hita
Anosizato
Telo vavy nirava avy nianatra ary mbola tsy hita
Tamin'ny talata tamin'ny 4 ora sy sasany, nirava avy nianatra ireto ankizy telo vavy, ny iray 13 taona, ny roa samy 12 taona avy. Tsy tonga nody tany amin'ny tranon-dray aman-dreniny avy anefa izy ireo. Hatramin'izao fotoana izao, araka ny vaovao voaray dia tsy mbola fantatra izay toerana misy azy ireo. Eny amin'ny faritra Anosizato no mianatra sady monina ireo ankizy ireo. Amin'ny andavanandro dia eo amin'ny 5 mn na 10 mn raha ela indrindra dia samy efa tafody ry zavavy. Tamin'ny talata anefa, niandry ny olona fa tsy hita mihitsy izay nalehany.
Efa tany amin'ny 8 ora alina tany vao nampandre ny mpitandro filaminana misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana ireo ray aman-dreny. Efa nilazana koa ny zandary teny an-toerana. Mandeha ny fikarohana azy ireo amin'izao fotoana izao. Sady mpinamana ireto ankizy ireto no mpiara-mianatra. Kilasy faha-6 no misy azy.
Very
Tsy fantatra intsony amin'izao fotoana izao ny fandehan-javatra marina mikasika ny fanjavonana ankizy, indrindra fa ny vavikely. Maro ny resaka re etsy sy eroa ny amin'ny tsy fahitana ankizy. Mbola miampy ny tsaho marobe milaza fa misy mpangala-jaza. Mihorohoro ny ray aman-dreny. Eo ihany koa anefa ary tsy azo lavina ny ditran'ny ankizy. Saika isan'andro no ahitana amin'ny gazety na heno amin'ny fampielezampeo ny tsy fahitana ankizy. Ny maro amin'ireny zaza tsy hita ireny dia manodidina ny eo amin'ny 13 ka hatramin'ny 15 taona eo.



2656midi-mg-003086-4579-29052008 Mpivaro-mandeha iray maty voatifitra
Fanafihana fiara
Mpivaro-mandeha iray maty voatifitra
Nisehoana fanafihana fiara indray tany amin'ny faritry Tsiroanomandidy tamin'ny alatsinainy faha-26 mey lasa teo. Mpivaro-mandeha nitondra fiara 404 baché no niharan'izany tany amin'ny tetezana Manafoana. Tamin'ny 5 ora sy sasany hariva no niseho ny fanafihana. Niala ny tananan'i Beambiaty kaominina Belobaka Tsiroanomandidy izy ireo ary hamonjy fodiana ho aty Antananarivo. Raha hiampita ilay tetezana anefa izay voalaza fa efa tena ratsy tokoa dia tsy maintsy midina ny mpandeha rehetra. Raha vao tafidina anefa ireo mpivarotra ireo dia nirefotra ny basy avy any anaty bozaka any. Tovolahy vao 23 taona no voa tamin'izany ka maty teo no ho eo. Nisy ramatoa iray koa voatifitra ary naratra mafy tokoa. Tsy maintsy nentina any amin'ny hopitalin'i Tsiroanomandidy izay tsaboina.
Nanjaka ny ratsy
Tatitra sady nihorohoro ireo olona voatafika. Hany herin'izy ireo lasa niparitaka nandositra avokoa ary navela teo ny fiara sy ny entana. Nanjaka tamin'izay ireo jiolahy nisava ilay fiara sy naka izay tiany nalaina tao. Fantatra ary fa vola mitentina hatrany amin'ny Ar 180 000 no nanjavona. Raha vao azon'ireo jiolahy ny zavatra nilainy dia nanao tari-dositra ry zalahy. Tsy nisy nahita  na nahalala ny isan'ireo jiolahy ireo mpandeha.
Tao anatin'ny herinandro maromaro dia fiara tsy latsaky ny dimy no efa notafihin'ny jiolahy tamin'iny lalam-pirenena voalohany iny. Tamin'ity indray mandeha ity anefa, nisy ny aina nafoy sy ny olona naratra.



2656midi-mg-003087-4580-29052008 Ombay mitady Mahery
Zaza very
Ombay mitady Mahery
Niala tao an-tranony  Lot II S 29 A Anjanahary ny talata faha-27 mey tokony ho tamin'ny 4 ora hariva Andrianantenaina Maheritiana Mitandrozo na I Mahery. Mbola tsy niverina nody anefa izy hatramin'izao. 14 taona izy, fotsy fihodirana, tso-bolo, kely maso, mirefy 1,50m. Miakanjo veste manga tanora, pataloha jean manga, short mena, kiraro beige. Iangaviana izay mahita azy mba hampandre haingana ny manam-pahefana akaiky azy indrindra na hiantso ny telefonina : 032 44 563 93 ; 032 47 352 66 ; 032 04 722 58 .


2656midi-mg-003088-4581-29052008 Tapatapany.
Tapatapany.
 - Andoharanofotsy, may ny trano. Tamin'ny talata lasa teo dia nisy haintrano niseho teny Mahabo Andoharanofotsy. Tsy tao an-trano ny tompony tamin'ny fotoana nisehoan'ny fahamaizana. Nahatratra hatrany amin'ny 8 tapitrisa ariary tany ny tetibidin'ny fitaovana potiky ny afo tao, toy ny poste soudure, ponçage électric ary zavatra maro hafa. Nanome tanana tamin'ny famonoana ny afo ny fokonolona. Naharitra adiny iray anefa izany voa maty.
 - Fampirafesana, tratra ary voadaroka. Omaly tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro, notratrarin'ny tompom-bady tao amin'ny efitry ny hotely iray eto an-drenivohitra ireto mpisakaiza, lahy sy vavy. Avy hatrany dia nodarohan'ilay tompom-bady ny rafilahany ka torana niafara tamin'ny fahatoranana. Raikitra ny tabataba ary niakatra ny feo. Ren'ny olona ilay  vehivavy nilaza fa efa ho dimy taona izy niaraka tamin'io olona io. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon'ny hotely. Fantatra àry fa hitory ny tompom-bady. Tsy hanaiky koa anefa ilay lehilahy iray fa hitory noho ny ratra nahazo azy.



2676midi-mg-003109-4603-30052008 Mpivarotena marobe natolotra ny Fitsarana
ANOSY. Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana ny mponina eny Tsaralalàna noho ny afitsok'ireo tovovavin'ny alina.
Mpivarotena marobe natolotra ny Fitsarana
Tabataba, ompa variraka sy toaka mikararana isan'alina. Izany no iainan'ny mponina eny Tsaralalàna, ao anatin'ny FIATA (Fokontany Isotry Atsinanana, Tsaralalàna, Ampasamadinika) noho ny fisian'ny mpivarotena, hotely sy trano fisotroan-toaka marobe any amin'iny faritra iny. Ela niaretana izany ny mponina eny an-toerana ka nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana. Ny alin'ny talata lasa teo àry dia nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra ireo olona miteraka fanakorontanana amin'ny alina ireo. Nahitam-bokany izany ka mpivarotena roapolo eo ho eo no voasambotra, miaraka amina tompona hotely telo sy tompona trano fivarotan-toaka iray.
Miteraka korontana
Tsy vitan'ny hoe miteraka korontana amin'ny alina ny fisian'izy ireo ety aminay fa lasa manome endrika ratsy ny tanàna sy manome ohatra ratsy an'ireo zanakay ihany koa. Ny zanakay vavy aza manjary heverin'ny sasany ho mpivarotena koa rehefa mamonjy fodiana amin'ny hariva, hoy ny iray amin'ireo solontenan'ny mponina tonga teny amin'ny Fitsarana. Nanamarika kosa ny tomponandraikitra avy ao amin'ny FIATA fa hamaliana ny hetahetan'ny mponina sy tafiditra indrindra ao anatin'ny fanadiovana ny tanàna ary mba ho fitandroana ny fandriampahalemana no antony nanaovana izao hetsika izao.
Rehefa avy natao famotorana teny amin'ny mpitandro filaminana ireo olona voasambotra ireo dia nentina niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, tetsy amin'ny Fampanoavana, Anosy. Fakàna am-bavany izay naharitra ora maromaro. Marihina fa fivarotantena sy fanosehana olona hivarotena no antony nisamborana ireto olona natolotra ny Fitsarana ireto, ankoatra ny fanakorontanana ataony amin'ny alina.



2676midi-mg-003110-4604-30052008 Saika hipoaka ny ENELEC
Saika hipoaka ny ENELEC
Omaly tokony ho tamin'ny roa ora tolakandro dia nisy afo tsy fanta-pihaviana nirehitra teo akaikin'ny orinasa mpamokatra herinaratra ENELEC eto Antsiranana any amin'ny PK7. Tsy voafehy ny afo ka tafiditra tao amin'ity orinasa ity. Nanao ezaka ny mpiasan'ny JIRAMA, ENELEC sy ny mponina manodidina tamin'ny famonoana ny afo. Orinasa mpamatsy herinaratra ny tanànan'Antsiranana io saika nidiran-doza omaly io. Tsy fantatra mazava hatreto ny fihavian'ny afo. Isan'ny lesoka lehibe amin'ity tanànan'Antsiranana ity ny tsy fananana fiara famonoana afo. Ny fiara mpamono afon'ny orinasa ADEMA no antenain'ny fokontany 23 eto anivon'ny kaominina ambonivohitr'Antsiranana. Tsy afaka mamonjy voina io fiaran'ny ADEMA io rehefa misy sidina ao amin'io orinasa io. Tsy maintsy hatao kosa, hoy ny lehiben'ny distrika Atoa Horace Patrice, ny famotorana rehetra mahakasika ity raharaha ity.


2676midi-mg-003111-4605-30052008 Lehilahy maty nianjera avy eny ambony &quot;pylône&quot;
LOZA
Lehilahy maty nianjera avy eny ambony pylône
Nisehoana loza nahafatesana ain'olona tany amin'ny faritr'i Sambava ny fiandohan'ny herinandro teo. Mpiasa mpametaka antenne no nianjera avy eny ambony pylône, izay mahatratra any amin'ny 8 metatra any. Tsy maty teo noho eo ilay lehilahy fa mbola nentina taty Antananarivo ka taorian'ny fandidiana natao azy vao tapitra ny ainy.
Araka ny nambaran'ireo mpiara-miasa aminy dia votsotra ny fehikibo nitazona azy ka izay no nahatonga ny fianjerany. Tsy nahitana ratra ivelany izy fa nandoa rà foana. Nalefa haingana taty an-drenivohitra ka notsaboina tetsy amin'ny HJRA.  Afakomaly izy no niatrika fandidiana ary nanao izay ho afany ireo mpitsabo. Indrisy anefa fa namoy ny ainy izy omaly maraina.
Nandray an-tanana ny fiantohana azy ny mpampiasa azy. Manambady ity lehilahy niharan-doza ity, monina eto Antananarivo (Ilanivato), 37 taona ary manan-janaka telo mianadahy.
Araka ny tsilian-tsofina heno dia tsy vao izao no nisy mpiasa manao ity asa ity no nianjera toy izao, saingy tamin'ity vao nisy namoy ny ainy. Vao tamin'ny tapa-bolana lasa izao no nisy olona iray nianjera avy eny amin'ny 6 metatra saingy efa salama tsara izy amin'izao fotoana izao.



2676midi-mg-003112-4606-30052008 Valo taona an-tranomaizina ho an'ilay ray nanolana
FITSARANA
Valo taona an-tranomaizina ho an'ilay ray nanolana
Asa an-terivozona valo taona. Io no sazy nomen'ny Fitsarana ilay raikely nanolana ny zana-badiny, teny Tanjombato. Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity. Tamin'ny taona 2007 no niseho ny fanolanana. Zazavavy kely 9 taona no naolan'ity lehilahy ity. Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana ny fianakavian'ilay zaza ka nosamborina ilay raikeliny. Notazonina vonjimaika tany am-ponja izy nandra-pahatongan'ny fotoam-pitsarana azy.
r.s 


2676midi-mg-003113-4607-30052008 Mpitsara voaendaka ! 
ANJAHANAHARY.   Kaomisera, mpitsara sns. Saika efa nahita faisana avokoa ireny teny amin'iny manoididina iny...
Mpitsara voaendaka ! 
Toa tsy mmpino. Tsy misy tsy ataon'ny jiolahhy lasibatra. itsony amin'izao. Andro vitsivitsy lasa izay, mpitsara iray no narararaoinindry zalahy. Lasa tamin'izany ny telofanina finday sy ny firavaka teny aminy. Nandeha avy hatrany ny fanadihadian'ny mpitandro ny filaminana ary nandeha ny fisamborana. Fantatra ary fa olona roa no voasambotra. Nandà hatrany ireo tamin'ny fanadihadina azy saingy nandeha hatrany ny famotorana. Tsy vao izay no nitranga ny asan-jiolahy teny amin'iny manoididina iny. Raha tsy hotsiahivina afa-tsy ny nitranga tamin'ilay mpitsara avy any amin'iny tapany atsimo iny, izay nohararaotin'ny jiiolahy tetsy Ankadifotsy. Voamarika ihany koa ny nahavoa ilay ofisie pôlisy iyza voatifitry ny jiolahy tetsy ambanin'ny tetezana tetsy Behoririika. Raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Manazava avy hatrany izany fa mbola tena goavana ny asan-jiolhany eny amin'ny manodidina eny.
Faritra mena
Tsy izay akory no niseho ny fanendahana mitam-piadiana teny amin'iny faritra iny. Saika efa fandre matetika izany ary raha tsiahivina aza dia efa nisy mpitandro ny filaminana namoy ny ainy noho ny antony mitovy. Raha tsiahivina dia pôlisy iray no efa notafihan'ny jiolahy  tetsy ambanin'ny tetazan'I Behoririka. Teo ihany koa ny fanendahan'ny olont-dratsy ny mpitsara iray avy any amin'ny faritany tetsy Ankadifotsy. Manazava avy hatrany ireo fa manjaka ny asan-jiollahy eny amin'iny faritra iny. Mbola tsy voalaza aza ny nanjo ilay mpivady niharan'ny asan-jiolahy tetsy Behoririka. Na koa ireo izay efa nahazo ny anjarany tetsy amin'ny boriborin-tany fahatelo. Raha ny hita aloha dia efa nohamafisina ny fandriam-pahalemana eny amin'ny manodidina eny saingy na izany aza dia mbola isan'ny faritra mena eto an-drenivohitra ihany ny eny an-toerana.
D.R 
Lire aussi - Saika hipoaka ny ENELEC - Loza : Lehilahy maty nianjera avy eny ambony &quot;pylône&quot; - Fitsarana : Valo taona an-tranomaizina ho an'ilay ray nanolana 


2694midi-mg-003132-4629-31052008 Olona 17 naratra mafy
Fiara tapaka frein
Olona 17 naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray ny lalam-pirenena faha-roa, mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina afakomaly alina. Tokony ho tamin'ny folo ora alina no niseho ny loza tany Mahatsinjo-Carion (PK 29). Fiara Mercedes, nitondra olona ho any amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka ity niharan-doza ity ary nitondra mpandeha 17. Tsy nahazo tampoka ny frein-n'ilay fiarabe, ka hany herin'ny mpamily dia ny namarina azy tany amin'ny dongon-tany, tamin'ny sisin'ny arabe. Saika naratra avokoa ireo mpandeha 17 tao anatiny, nisy tamin'izy ireo ny tena voa mafy, ary nentina notsaboina taty an-drenivohitra. Ankoatra ireo olona naratra dia potika tanteraka ihany koa ilay fiara. Efa eo am-panaovana ny famotorana mikasika ity loza ity ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao, mba hahafantarana marina ny antony nahatonga ny loza.
Aina R.


2694midi-mg-003133-4630-31052008 Nisy naratra nandritra ny fisamborana mpivarotra
Analakely
Nisy naratra nandritra ny fisamborana mpivarotra
Iaraha-mahita amin'izao fotoana izao fa tena mihetsika ny kaominina an-drenivohitra amin'ny fanadiovana an'Antananarivo. Indrindra fa ny mahakasika ny fanalàna ireo mpivarotra an-tsisin-dàlana, izay tsapan'ny rehetra fa manelingelina ny fifamoivoizana ary manaratsy ny tanàna ihany koa. Afakomaly, raha araka ny vaovao azonay, dia tetsy Analakely no nisian'ny fanadiovana. Niteraka savorovoro izany noho ny fisian'ny olona naratra. Raha araka ny vaovao ihany dia telo no naratra mafy. Nisy tamin'ireo no naiditra hopitaly. Raha ny feo nandeha tetsy sy teroa aza dia hoe nisy ny namoy ny ainy. Heverina ho feo ihany izany satria raha nohamarinina teo anivon'ny toeram-pitsaboana maromaro sy ny tranom-patin'ny Hjra dia tsy nahitàna io razana io mihitsy. Maro ihany koa ny tomponandraikitra teo anivon'ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana nanontaniana saingy nilaza ireo fa tsy nahafantatra ny fisian'izany. Na izany aza anefa dia nisy ny olon-tsotra nanamarina ny fandehan-javatra. Ramatoa iray ilay namoy ny ainy. Tsy mpivarotra velively io fa ireny mpangataka amoron-dàlana ireny. Isan'ny noraofina izy tetsy Analakely ary tamin'io no niteraka fahavoazana izay nitarika ny fahafatesany hoy io filaza io. Ny hafa indray kosa dia nanindry tsotra izao fa nahery fihetsika ireo tomponandraikitra nanatontosa ny hetsika. Izany hoe,   izany fihetsika izany, raha ny filazan'io olona io, no nitarika ny ratra. Ho hita manaraka eo ihany izay mety ho tena fahamarinan'ireo feo ireo. Hatreto mantsy dia siosion-dresaka ihany aloha ny momba io fahafatesana olona io...


2710midi-mg-003150-4923-02062008 Tafiditra tao an-trano ny fiara !
Ankadindramamy.
Tafiditra tao an-trano ny fiara !
Na hita ho nameno an'andrenivohitra aza ny mpitandro ny filaminana dia tsikaritra fa mbola nisy ihany ny lozam-pifamoivoizana. Ny alin'ny zoma teo, tetsy Ankadindramamy, dia nivadika ambony ambany ity fiara Renault 12. Tsy fantatra mazava izay antony na dia teo aza ny feo nandeha fa nandeha mafy ary nanao karazana pointe izy io. Re ihany koa tamin'ny fidinana teny an-toerana fa tsy hita izay nandehan'ny mpamily. Ireo telolahy niaraka taminy no nalefa teny amin'ny paositry ny pôlisy. Potika tanteraka ny eo anoloan'ilay trano amoron-dàlana izay nofaohin'ity fiara ity. Nirodana mihitsy aza izany rehefa voakafoka ny hazo nitàna ny tapany aloha. Ilay fiara kosa dia ny olona no nanampy namerina azy tamin'ny...tany. Etsy andanin'izay dia fantatra koa fa nisy tranga mitovy amin'io tany Ambohimanambola. Iray hafa koa teny Androndra. Raha zohiana izany dia mbola mirongatra hatrany ny lozam-pifamoivoizana. Na izany aza anefa dia tsy azo lavina ny ezaky ny mpitandro ny filaminana. Hita fa tena hentitra amin'ny asany izy ireo tato ho ato. Ny fisavana karatra sy ny taratasim-piara no tena tsapa fa nihamafy, indrindra amin'ny alina. Irariana ny mba hitohizan'izany manoloana ny lozam-pifampivoizana izay tsy mitsahatry ny mamono olona, miampy ny jiolahy izay toa miriaria tsy amin-tahotra etsy sy eroa.


2710midi-mg-003151-4924-02062008 Siramamy halatra 116 gony sarona  Rongony 100 kg saron'ny zandary
Antsiranana
Siramamy halatra 116 gony sarona
Olona dimy no sarona nivarotra siramamy halatra tao amin'ny toeram-pivarotana tao Tanambao V, Antsiranana ny sabotsy teo. Siramamy 116 gony no very tao amin'ny magazay Keizar Aly. Ny omalin'iny vao fantatra fa nisy very ny siramamy tao amin'ilay toeram-pivarotana raha haka ny entany ny tompony. Rehefa natao ny fitarainana dia sarona izy ireo omaly, raha nandeha hivarotra ny entana. Nasiany lavaka avy tao ivelan'ny magazay nahafahany niditra sy namoaka ny entana. Araka ny nambaran'Atoa Ludget,  contrôleur service Tanora , ao amin'ny Sécurité STS, dia mpiasa efa avy niasa tao amin'ity magazay ity ihany ny iray amin'ireo. Olona dimy no nanaovan'ny brigade de recherche criminelle famotorana ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azo farany dia voatazona any ihany koa ny tompon'ilay épicerie nandafosana ilay siramamy. Hatolotra ny fampanoavana anio ny raharaha.
V.JCL
Diana
Rongony 100 kg saron'ny zandary
Ny alarobia teo no saron'ny zandary tao Antsoha-Ambilobe ny rongony 100 kg. Tany Ambatoharanana no nividianana izany. Nentina tany Diégo avy eo. Tanora 29 sy 35 taona no voarohirohy amin'ity raharaha ity. Ny zandarin'Ambilobe no nahasambotra azy ireo. Natolotra ny fitsarana ny sabotsy teo ary efa samy nidoboka am-ponja izy ireo. Tao anaty sac de voyage nasiana sosona telo no nametrahan'ireo jiolahy ny rongony. Any Antsiranana no saika hivarotana ireo jamala ireo. Ny mahagaga amin'ity resaka ity eto Antsiranana dia ny tsy fahitana ireo mpividy ambogadiny na dia efa maro aza ny tratra na voasambotra ka nanaovana famotorana. Raha ny ato amin'ny faritra DIANA dia efa malaza ratsy amin'ity resaka rongony ity saingy ny tena atidoha mikotrika tsy mbola hita mazava. Hita koa fa ireo mpivarotra madinika sy ny mpihinana  ihany no matetika sarona. Tsy fantatra marina ve ny tena tale sa odiana tsy hita? Efa an-taonina maro izay ny jamala efa sarona teto amin'ny faritra DIANA niaraka tamin'ny mpivarotra azy. Hatreto anefa dia tsy mety hita izay tena ao ambadiny. Tsara ihany raha hasiana fanaraha-maso akaiky...
V.JCL


2732midi-mg-003174-5061-03062008 Fatin-dehilahy, misy loaka ny lohany
NANISANA. Nivoaka rà ny orony sy ny vavany. Novelezina ny lohany raha ny fahitana azy. Olona roa no efa voasambotra.
Fatin-dehilahy, misy loaka ny lohany
Nahitana razana feno ratra teny Nanisana, omaly vao mangiran-dratsy. Novonoina raha ny fijery azy. Nivoaka rà ny orony sy ny vavany ary nisy loaka ny lohany. Naharay antso an-tariby ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin'ny BMH omaly maraina fa misy razana hitan'ny olona tetsy Nanisana, ao amin'ny Cité militaire, ambadiky ny biraon'ny Faritra Analamanga. Tonga teny an-toerana izy ireo nijery ny zava-misy, ka rehefa nozahana dia lehilahy tokony ho 32 taona eo ilay izy. Tsy nahitana taratasy momba azy teny aminy. Rehefa vita ny fizahana rehetra dia nalefa teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana.
Roalahy voasambotra
Amin'izao fotoana izao dia efa misy olona roalahy voasambotry ny polisy voarohirohy amin'izao vonoan'olona izao. Asa na efa andro miditra ny azy roalahy ireto na ahoana, satria afak'omaly alina, raha nanao fisafoana ny polisy avy ao amin'ny boriborintany faha-8 dia nahita roalahy mamo teny amin'ny arabe. Rehefa nosavaina izy roalahy dia hitan'ny polisy fa feno rà ny akanjon'ny anankiray. Notazonina tany amin'ny birao avy hatrany izy roalahy noho io toe-javatra mampiahiahy io. Teo aloha dia tsy mbola nisy nahafantatra hoe avy namono olona izy roalahy ireo. Rehefa maraina vao nahafantatra ny polisy fa hay misy olona maty hita tetsy Nanisana, toerana tsy dia lavitra ny nisamborana azy roalahy. Teo vao fantatra fa anisan'ny namono io lehilahy io izy roalahy. Efa mandeha ny famotorana etsy amin'ny sampana misahana ny heloka bevava Anosy. Milaza kosa izy roalahy fa mbola misy namany hafa niaraka taminy. Mbola eo am-pikarohana io tovolahy io ny polisy.
Aina R 


2732midi-mg-003175-5062-03062008 Fandriam-pahalemana sy fanatanjahantena
Kanetibem-pokontany
Fandriam-pahalemana sy fanatanjahantena
Hetsika goavana no ho tanterahana amin'ny sabotsy 21 jona sy ny alahady 22 jona 2008 ho avy izao. Tsipy kanetibe ho an'olon-telo miaraka (triplette) izay hiantsoana ny fokontany rehetra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Entanina manokana tokoa ny fokontany amin'ity hetsika ity. Maro ny loka ho zaraina amin'izany, izay tsy tahaka ny fahita mahazatra. Mila ny fandraisana anjaran'ny rehetra indrindra ireo mpilalao avy amin'ny faritra nihaviany avy. Tombony, ireo fokontany manana mpilalao misoratra anarana dia ahazo tombotsoa manokana. Tsy hadino koa anefa ireo mpilalao.
Efa nanomboka tamin'ny faha-26 mey teo ny fisoratana anarana ary hifarana amin'ny faha-6 jona izao izany. Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra amin'izany. Tsy maintsy mitondra certificat de résidence avy amin'ny fokontany nihaviany kosa anefa ireo mpifaninana. Natao amin'ny sarany mirary ny fifaninanana, Ar 15 000 isaky ny ekipa izany.
Loka be
Hafa tokoa ny hetsika amin'ity indray mandeha ity. Ireo fokontany manolotra ekipa hilalao dia mahazo avy hatrany telefonina manokana (numéro special telma) azo hampiasaina eo no ho eo. Ho an'ny biraom-pokontany io telefonina io. Mahatratra hatrany amin'ny 200 any no ho zaraina. Ka izay hisoratra anarana dia kely ihany sisa ny fotoana.
Ankoatra ny telefaonina, maro ny loka ho zaraina. Ho an'ny mpilalao dia mahatratra hatrany amin'ny 3 tapitrisa ariary izany miaraka amina finday.  Tsy maintsy mahazo amin'ireo loka marobe ny mpandray anjara. Toy izao ny fepetra amin'izany. Nosokajian'ny mpikarakara karazany telo ny fifaninanana. Misy ny sokajy A, B ary C. Amin'iry voalohany, hatao ny fifanitsanana. Izay mahery mijanona ho sokajy A, izay resy kosa midina ho sokajy B. Mitohy hatrany izany fifaninanana izany. Avy ao amin'ny sokajy B indray, izay latsaka avy ao, midina ho sokajy C.
Tombony ho an'ny fokontany, raha avy ao aminy ny mpandresy, tsy maintsy ny filoham-pokontany no maka ny loka ankoatra izay efa nomena ny mpilalao. Maro dia maro ny ho zaraina amin'izany. Ahazo ordinateur sy imprimante, omena televiziona izay ho tele-pokolonona, hisy koa ny VTT. Tsy adino ny loko azo hanavaozana ny biraom-pokontany.



2732midi-mg-003176-5063-03062008 Vola 1500 Ariary namonoana olona  Nopoizininy ny vadiny  Novonoiny ny rahalahiny
Toamasina
Vola 1500 Ariary namonoana olona
Nitaky ny trosany tamin'ilay namany ity lehilahy iray. Sady tsy nahazo ny vola anefa fa vely famaky no tambiny. Tsy tana ny aina rehefa tonga teny amin'ny toeram-pitsaboana tao Toamasina. Io no niseho tao amin'ny tanàna iray ao Toamasina II, ny herinandro lasa teo. Efa volana maromaro no nitakian'ny mpitaky trosa ny vola. Tamin'io fotoana nifankahitan'izy roa lahy io anefa dia nilaza ilay mitrosa fa tsy mbola misy teny aminy. Tsy nahatsindry fo anefa ilay tompom-bola ka dia nanangana ady. Ilay mpitrosa kosa rehefa nahatsapa fa tsy ho resiny ilay mpifandrina aminy, dia lasa naka famaky. Voa teo antampon-kandriny ilay pitaky trosa. Niafara tamin'ny fahafatesany izany. Tsy vola be manao ahoana anefa ity nampifanolana azy roa lahy ity. 1500 Ariary ihany nefa dia tsy voaloha nandritra ny fotoana maro.
Adina mpivady
Nopoizininy ny vadiny
Ny vadibeny ao an-trano mihitsy ity sahiny novonoina ity. Tsy nifampiteraka izy roa ireo hatramin'izay nanorenany tokantrano. Tato aoriana anefa dia bevohokan-drangahy ny rahavavin'ity vadiny. Velona ny disadisa teo amin'ny fianakaviana. Rangahy milaza fa hampiakatra ity zaobaviny mitondra ny menaky ny ainy ity. Ilay tompom-bady kosa nanan-kevitra ny hanapoizina an-drangahy. Amin'izay mantsy, hono, samy tsy manana na izy na ny rahavaviny. Sendoatra rangahy raha naheno ireo ka avy hatrany dia namely azy tamin'ny kobay sy ny zava-maranitra. Tany anaty rano no nahitana ny fatin-dramatoa. Voaporofon'ny mpitsabo fa efa maty izy vao natsipy tany anaty rano.
Resa-bola
Novonoiny ny rahalahiny
Mpirahalahy nifamono tao Sahandahatra, Toamasina II. Toa an'i Kaina sy Abela voalaza ao anaty baiboly mihitsy izy izy mirahalahy. Nitsiriritra ny vola azon'ny rahalahiny ny iray. Avy nivarotra kisoa mantsy izy ka nahazo vola 40000 Ariary. Notereny ilay rahalahiny hanome azy io vola io, rehefa tsy nety anefa dia nentiny tao amin'ny kirihitr'ala manodidina ny tanàna ary dia novelesiny tamin'ny famaky tao amin'ny hatony. Nisy nahatsikaritra ihany anefa ny nitsofohan'izy mirahalahy tao amin'io faritra io. Natao ny fanarahandia, ka vatana mangatsiaka sy rà mijininika no novantanin'ny fokonolona tao. Efa voasambotra ilay mpamono olona ary niaiky ny heloka nataony. Iray efitra ao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy izy telo lahy mpamono havana akaiky ireto amin'izao fotoana izao.
Nangonin'i Jean-Claude STEVE 


2732midi-mg-003177-5064-03062008 Manazava ny mpikarakara
FAMPISEHOANA NAHAFATY OLONA
Manazava ny mpikarakara
Araka ny nambaran'ireo mpikarakara ny lanonana tao Ihosy, ny harivan'ny alahady teo, dia  vokatry ny fifanosehana teo am-bavahady tamin'ny firavana no nahatonga iny loza iny. Sendra niondrika naka ny kapany ilay tovolahy iray no voatosiky ny olona ka nianjera tamin'ny tany. Raikitra teo amin'izay ny fifanjevoana ka nahatonga ny ratra sy ny aina nafoy . Nandray an-tanana tanteraka ny fikarakarana ireo naratra sy namoy ny ainy ny mpikarakara. Ary efa samy namonjy fodiana avokoa amin'izao fotoana izao ireo naratra rehefa samy nahazo ny fitsaboana tandrify azy avy. Marihina fa nandritra ny fampisehoana nataon'i Viavy Chila no nisehoan'izao loza izao, lanonana izay nanaovam-beloma ny lehiben'ny kaompanian'ny zandary teo aloha izay nifindra toeram-piasana. Noho ny fankasitrahan'ny olona ny zava-bitany tao an-toerana no nahatongavan'ny olona marobe, izay nahatratra 6000 mahery.



2732midi-mg-003178-5065-03062008 Nokapain'ny dadatoany tamin'ny antsy izy telolahy kely
MANANJARY. Hampiasaina ny antsibe hamelezana ireo olona horobainy. Tsy vitan'izany, fa rehefa tezitra ny sasany, miasa ihany koa ny antsy.
Nokapain'ny dadatoany tamin'ny antsy izy telolahy kely
Tamin'ny alahady maraina 1 jona, tokony ho tany amin'ny 9 ora tany, nokapain'ny rahalahan-drainy tamin'ny antsibe ny lohan'izy telo lahy. Feno rà ny trano sy ny tokontany. Naratra mafy tokoa ireo ankizy ary tsy maintsy nentina haingana tany amin'ny hopitalin'i Mananjary. Avotra soa aman-tsara ihany izy ireo rehefa nahazo fitsaboana.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Antalaka any amin'ny kaominina Marokarina no niseho ity fikapana olona ity. Ireo niharam-boina dia mpirahalahy iray tampo. 6 taona ny zandriny indrindra, 12 taona ilay ivo ary 16 taona ny zokiny. Tsy dia salama ireo zandriny ka nijanona tao an-trano ilay zokiny niandry azy. Tamin'ny ora voalaza, tonga ny rahalahan'ny dadany haka afo. Niteny izy telolahy fa tsy misy hitondrana izany fa tokony haka fasiana afo radadatoa. Lasa izy nivoaka ny trano ary niverina afaka fotoana fohy.
Kapa antsy
Antsibe no teny an-tanany ary avy hatrany dia nokapiany tamin'izay ireto zanany. Tsy nisy resaka fa tonga dia nasiany. Ilay zokiny indrindra voa teo amin'ny ila-lohany havia, ilay faharoa toa amin'ny ila-lohany havanana ary ilay kely indrindra tamin'ny rantsantanany sy ny lohaliny havanana. Rehefa vita izany, lasa nandositra ilay nahavanona ny loza.
Niantso vonjeo ireo ankizy. Henon'ilay reniny naka vary teny an-tsaha izany ka niakatra haingana izy. Nifanena tamin'ilay zaodahiny izy. Ity farany hitany nitondra antsy mihosin-drà sy vato. Raha vao nifanena tamin'ilay ramatoa ilay tovolahy dia notorahany vato ity zaobaviny sady lasa nandositra izy. Raha vao nahita ireo zanany feno rà ilay vehivavy dia nampandre haingana ny olona teo an-tanàna. Nenjehana ilay nikapa antsy fa tsy mbola tratra hatramin'ny omaly hariva.
Ankoatra azy telolahy ireo, olona telo hafa koa no fantatra fa naiditra hopitaly. Voakapan'ny antsy avokoa izy ireo.
HAR 
Lire aussi - Kanetibem-pokontany : Fandriam-pahalemana sy fanatanjahantena - Toamasina : Vola 1500 Ariary namonoana olona - Fampisehoana nahafaty olona : Manazava ny mpikarakara 


2743midi-mg-003190-5088-04062008 Jiolahy maty voatifitra avy namaky ny radio Vakiniadiana
FANDROBANA. Tsy mihemotra eo anatrehan'ny firongatry ny asan-jiolahy isan-karazany ny mpitandro filaminana.
Jiolahy maty voatifitra avy namaky ny radio Vakiniadiana
Maty voatifitry ny zandary nanao barazy teny amin'ny faritry Carion ny mpangalatra iray omaly talata maraina tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany. Roa izy ireo no niaraka. Rehefa najanona anefa izy ireo ka nosavaina dia nanaiky izany ny iray, ilay faharoa kosa voalaza fa nanohitra. Raikitra ny fifanjevoana ka tamin'izany no nahavoatifitra azy.
Nisy namaky ny Radio Vakiniadiana ny alatsianiny alina hifoha talata tamin'ny 2 ora sy sasany. Maro ny entana lasan'ireo mpangalatra tamin'izany, toy ny lecteurs, table de mixage, micro sy casque ary fitaovana hafa.
r.s.


2743midi-mg-003191-5089-04062008 Ankizy telo may kilan'ny afo
Mananjary
Ankizy telo may kilan'ny afo
HAR


2745midi-mg-003194-5092-04062008 Tous les tirages au sort
Tous les tirages au sort
Les jeunes de moins de 17 ans qui entreront en lice aux Seychelles au mois de juillet et août sont actuellement fixés sur leurs adversaires. Le tirage au sort des rencontres en sports collectifs a eu lieu sur place durant la réunion du CIJ.  
Poule A : La Réunion, Madagascar
Poule B : Seychelles, Mayotte, Maurice
Poule A : Seychelles, Maurice, Mayotte
Poule B : La Réunion, Comores , Madagascar
Poule A : Seychelles Maurice, Comores
Poule B : Madagascar, Mayotte, La Réunion
Poule A : La Réunion, Mayotte, Comores
Poule B : Seychelles, Maurice, Madagascar
Poule A : Seychelles, Comores, Maurice
Poule B : La Réunion, Mayotte, Madagascar
Poule A : La Réunion, Comores, Mayotte
Poule B : Seychelles, Madagascar, Maurice
Anny Andrianaivonirina
Sports 

2777midi-mg-003227-5130-05062008 Herisetra: miverina indray ve ry  Foroche ?
Antsiranana
Herisetra: miverina indray ve ry  Foroche ?
Mpivady indray no nisy nanafika ny alahady alina lasa teo. Ny talata, nisy ny fijoroana vavolombelona nataon'izy ireo ary koa fanambarana tao amin'ny Télevision Varatraza. Teo no nanambarany fa tanora miisa folo farafahakeliny ary 17 taona no farany hehibe tamin'izy ireo. Nambanany tamin'ny antsy ny teo amin'ny tendan'ilay lehilahy ary lasany ny poaketran'ilay ramatoa. Nampitahorin'ireo ankizy izy roa ireo ka nomena moramora ilay poaketra. Araka ny voalazan'ity niharan'ny herisetra ity, dia ohatra ny zavatra nataon'ny foroche  tamin'ny fotoan'androny no zavatra nandalo. Tsy mbola mazava ny raharaha satria lasa mametraka fanontaniana ny maro sao fanararaotana amin'ny fahatongavan'ireo ankizy avy any Anjanamasina no anaovana izany.
Endaka
Ankoatra izany, vehivavy iray 19 taona no nisy nanao herisetra tao anaty taxi, ny sabotsy teo. Lehilahy iray niampy mpamily no tao anatin'ilay taxi. Teo anoloan'ny supervision I no nisehoan'izany. Tao amin'ny fipetrahana afara no nisy ilay tovovavy sy ity lehilahy iray ity. Nokendain'ilay lehilahy tao afara ilay tovovavy ary notereny hanome ny vola. Hitan'ilay mpamily izany ka nokapohany ilay tovolahy. Afa-nandositra moa ilay tovovavy. Ny raha tsy fantatra dia ny hoe: mpiray tsikombakomba ve ny mpamily sa ny mpitaingina mihitsy no efa ratsy? Efa tsy matoky ny taxi miasa amin'ny alina intsony ny mpandeha.
V.JCL 


2777midi-mg-003228-5131-05062008 NULL
 - Fitsarana fiarakodia. Olona 12 nosamborin'ny zandary. Tonga teny Alarobia tao amin'ny sampana fitsarana fiarakodia, omaly tokony ho tamin'ny 9 ora maraina, ny zandary nisambotra olona. Hanaovana famotorana mikasika ny kolikoly ao amin'io sampana io no anton'izany. Fantatra fa misy ny manao afera ka tsy mitondra ny fiara eny akory hotsaraina. Mbola eo am-panaovana ny famotorana ny zandary avy etsy Betongolo.
 - Talata Volonondry. Lasan'ny jiolahy ny 13.534.933 Ar. Notafihan'ny jiolahy ny alin'ny 29 mey teo ny orinasa ALFACOLOR eny Talata Volonondry. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny volabe. Natao ny fikarohana ka olona enina no voasambotra. Mpiasa ao amin'ny orinasa ihany ny efatra tamin'izy ireo.
Nangonin'I Aina R/r.s 


2777midi-mg-003229-5132-05062008 Zandary naiditra am-ponja
AFERANA BALA
Zandary naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika tany amin'ny fonjan'Ankazondrano-Fianarantsoa, ny alatsinainy lasa teo, ilay adjudant voarohirohy tamin'ilay aferana bala niseho tamin'ny volana febroary. Taorian'ny famotorana nataon'ny sampana misahana ny ady heloka bevava taty Antananarivo sy tany Fianarantsoa, dia natolotra ny Fitsarana tany an-toerana ny alatsinainy lasa teo ny raharaha. Nisy sivily roa ihany koa niaraka voarohirohy taminy mikasika ity raharaha ity saingy nahazo fahafahana vonjimaika ny iray. Zandary miasa eny Fort Duchesne io naiditra am-ponja vonjimaika any Fianarantsoa io.
Raha tsahivina dia ny volana febroary lasa teo no niseho ny tantara. Nisy sivily roa tratran'ny polisy tao Fianarantsoa niaraka tamin'ny bala miisa 900 mahery. Misy amin'ireo balana kalachnikov, pistolet automatique ary MAS 36. Rehefa tratra ireo sivily ireo dia nilaza fa io zandary io no mpiray afera aminy. Natao tokoa ny famotorana rehetra ka volana vitsy taty aoriana dia izao niafara tamin'ny fampidirana am-ponja ilay zandary izao, mandra-pahatongan'ny fotoam-pitsarana azy.



2777midi-mg-003230-5133-05062008 Faha-140 taonan'ny FJKM Isoavina Fihavaozana
Faha-140 taonan'ny FJKM Isoavina Fihavaozana
Ao anatin'ny fankalazana ny faha 140 taonan'ny F.J.K.M ISOAVINA FIHAVAOZANA, kôminina Ambanitsena - SPAA12.
Ny Mpitandrina, ny Biraom-piangonana, ny Loholona sy ny Diakona, ny sampana rehetra sy ny sampan'asa, ny Kômitin'ny faha 140 taona, ny Kômitin'ny fandraisan-tanana mpitandrina ary ny kristiana rehetra tsy ankanavaka, dia manasa anareo hiara-hiombom-bavaka aminy sy hidera an'Andriamanitra amin'ny fandraisana ho mpitandrina raikitra an-dRtoa RAKOTOMALALA Nivomboahangy Razanamiarisoa mivady, eto amin'ny Fiangonana.
- Ny sabotsy 07 jona 2008 amin'ny 9 ora sy sasany: fotoam-pivavahana tarihin'ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana SPAA12.
- Ny alahady 08 jona 2008 amin'ny 9 ora maraina: iombonan'ny mpianakavin'ny Finoana sy ny mpiara-miasa ao amin'ny Tompo ary ny zanaky ny Fiangonana manerana ny Nosy; arahina fiaraha-misakafo ka hisy ny laoka hozaraina (mitondrà vary masaka).
Hisy fiara hitatitra amin'ireo andro ireo, miainga eo amin'ny Hotel  La Rotonde  - Besarety amin'ny 7 ora maraina.


2778midi-mg-003232-5135-05062008 Polisy nitsambikina avy eny ambony tetezan'i Fatihita
FAMONOANTENA. Maro ny olona toa tsy mahatanty intsony ny onjam-piainana ka mamono tena.
Polisy nitsambikina avy eny ambony tetezan'i Fatihita
Polisy iray no fantatra fa nitsambikina avy eny ambony tetezan'i Fatihita, tamin'ny herinandro lasa teo. Tsy nahafaty azy anefa izany. Mbola hitan'ny olona nilalao rano izy. Afaka kelikely, nandroso ny moron-drano avaratra izy. Mihalalina ny rano ka nilentika tao ity olona ity.
Niasa tany Toliara ity polisy ity ary nahazo famindran-toerana ho any Faratsiho. Nandeha fiara ho aty an-drenivohitra izy izao nitsambikina izao. Araka ny vaovao, vao niala tany Toliara dia efa ohatra ny hafahafa ranamana. Rehefa teo ambony tetezana, novakiany ny fitaratra avy aoriana. Raha nahita izany ny mpamily dia nanajanona ny fiara. Nanatona ny arofanina ilay mpitandro filaminana ary nitsambikina tany ambany tany. Tamin'io fotoana io, tsy ireo vatobe eo ambany tetezana no nitaty azy fa rano.
Efatra andro
Tsy nisy nanampo ny fihetsik'ity polisy ity ireo niray fiara taminy. Nitazana izay nataony tery ambany tery. Rehefa lasa tany anaty rano lalina izy vao samy gaga. Nampandrenesina ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Natao ny fikarohana ny razana izay nananosarotra tokoa. Efatra andro taorian'ny nilentehany vao nipoitra ny razana. Tsy dia lavitra loatra ilay toerana nahadifotra azy.
Anastase 
Lire aussi - Antsiranana : Herisetra: miverina indray ve ry  Foroche  ? - Tapatapany - Aferana bala : Zandary naiditra am-ponja - Faha-140 taonan'ny FJKM Isoavina Fihavaozana - L'affaire sur cette émeraude 


2796midi-mg-003251-5156-06062008 Kartie mobily novetavetain'olon-tsy fantatra
SAMBAVA. Raha sendra trafatory izy no nanararaotra ilay mpanolana. Nandrahona tamin'ny antsy ary nanao izay nataony.
Kartie mobily novetavetain'olon-tsy fantatra
Tranga hafakely, niseho tany Antanifotsy - Sambava. Kartie mobily naolana lehilahy ary norahonanay tamin'ny antsibe.
Loza ny nahazo ity kartie mobily iray miasa tao amin'ny fokontany Antanifotsy Sambava ity. Avy niaraka nisotrosotro tamin'olona maromaro izy indray alina, ary niaraka natory tamin'olona iray tsy fantany izay sendra tavela tao. Notairin'ilay olona izy ary nangatahany hanao firaisana ara-nofo aminy. Samy lehilahy ry zareo. Tsy nanaiky anefa ity tomponandrikitry ny filaminana ity fa nanda avy hatrany. Avy hatrany dia nambanan'ilay vahiny tamin'ny antsibe teo amin'ny tenandany ranamana ary norahonany fa hovonoiny raha tsy manaiky. Noho ny tahotra ny ho faty dia nananiky ihany izy nony farany.
Tsy misotro
Tsy dia mba misotro toaka loatra mantsy  ity lehilahy ity, 32 taona izy ary manam-bady aman-janaka. Tamin'io andro io anefa, nanandrana nisotro niaraka tamin'ny namany izy. Tsy tafody intsony nony avy eo fa tratra hariva no sady efa mamomamo ka tsy maintsy nijanona natory tao amin'ny birao. Tsy izy irery anefa no tara tao fa nisy lehilahy iray hafa niaraka nandry taminy. Tsy fantatra na efa notilian'ity lehilahy ity izy na ahoana, na koa ny herin'ny toaka no niasa fa dia io naolany io.
Rehefa vita izay nataon'ilay rangahy dia lasa niala tao amin'ny birao izy, ary tsy hita izay nanjavonany. Ny maraina nandeha nitaraina tany amin'ny mpitandro filaminana ity niharan'ny fanolanana. Nandeha ny fikarohana ilay vahiny sahisahy. Hatramin'izao anefa, tsy mbola fantatra izay toerana misy azy. Ingahy kartie mobily tsy maintsy nanatona mpitsabo fa nahatsiaro naharary, soa aza fa tsy azon'aretina.
Mamy A. 


2796midi-mg-003252-5157-06062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fitsarana fiarakodia. Hatolotra ny Fitsarana anio ireo mpanera 3 lahy. Taorian'ny famotorana sy ny fakana am-bavany natao an'ireo olona 12 nosamborina tetsy Alarobia teny amin'ny biraon'ny zandary Betongolo, dia hatolotra ny Fampanoavana anio ny telo amin'izy ireo. Resaka fanaovana kolikoly amin'ny fitsarana fiarakodia no anenjehana azy ireo.
 - Sabotsy Namehana. Ombin'ny havany ihany no nangalariny. Saron'ny zandary teo amin'ny sakana, omaly tamin'ny 1 ora maraina ireo roalahy nangalatra ny ombin'ny havany. Ombivavy bevohoka ity nangalarin'izy roalahy ity, ka nananovan'izy ireo latsaka alina. Tsy nahitana taratasin'omby mazava tany amin'izy roalahy, ka notanana halaina am-bavany ao amin'ny biraon'ny zandary izy ireo.
 - HJRA. Mbola tsy misy maka ny fatin'ilay lehilahy maty teny Nanisana. Mbola ao amin'ny tranompatin'ny HJRA hatramin'izao ny fatin'ilay lehilahy nisy namono teny Nanisana ny fiandohan'ny herinandro teo. Tsy nahitana taratasy ahafantarana azy teny aminy ka hatramin'izao tsy fantatra izay havany. Misy milaza fa resevera-na taxi-be izy io.
 - Antananarivo. Miverina indray izao ireo mpanendaka ankizy. Mihaodihaody eny akaikin'ny toeram-pianarana eny indray izao ireo olona mpandrebireby sy mpanendaka ankizy. Mody mampiresaka eny izy ary maka ny kavina volamena na ny bracelet eny amin'ny ankizikely eny. Vao omaly indray izao no nisy tratra.
 - Polisim-pirenena. 90 lahy nahazo fanofanana manokana. Nifarana omaly, teny amin'ny sekoly ambonin'ny polisim-pirenena ny fiofanana nataon'ireo polisy nandritra ny tapabolana. Fiofanana mikasika ny fifehezana ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana an-tanandehibe. Nisy ny manamboninahitra, nisy ny Brigadier sy agent tsotra. Polisy avy atsy La Réunion no nampiofana tamin'izany. Nisy ny sarinady natao ho fampisehoana ny fahaizana norantovina.
 - FJKM Andrambato Fehizoro. Amin'ny alahady izao ny voka-dehibe. Hanomboka amin'ny 9 ora maraina ny fanompoam-pivavahana hatao ao amin'ny FJKM Andrambato Fehizoro amin'ny alahady 8 jona izao. Hatao amin'izany ny fanaterana ny voka-dehibe ka iantsoana ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana rehetra.



2804midi-mg-003261-5169-07062008 Rééducation à La Réunion
Rééducation à La Réunion
Evacué à La Réunion le 22 mai dernier dans un état presque comateux, le troisième vice-président de l'Assemblée nationale, Tsitohery Avison, est en train de se remettre de son accident vasculo-cérébral. Ses membres supérieurs droits ayant failli être paralysés, l'ancien chef de la Région Atsimo Atsinanana va suivre durant une dizaine de jours, des séances de rééducation dans l'île soeur.
Politique 

2817midi-mg-003275-5183-07062008 Les 23 Malgaches   Voici la liste des Eléphants de la Côte d'Ivoire
Les 23 Malgaches 
Gardiens :   Bota, Bruno, Ando, Anatole,
Défenseurs : Mamisoa, Mamy, Sedera, Tholix, Guy Beloha, Damien, De L'or, Eric Faneva
Milieux : Bolida, Rija Juvence, Tovo, Nakata,
Attaquants : Voavy Paulin, Faneva Ima, Toussaint, Praxis, Niasexe, Bob,
Entraîneurs : Soamady Hassany, Hajatiana Andriamiasasoa, Mika Andrianasy   
Voici la liste des Eléphants de la Côte d'Ivoire
Barry Boubacar, club Lokeren Sanogo Boubacar, Werder de Brême
Touré Kolo Abib, Arsenal
Zokora Déguy Alain Didier, Totten
Lolo Igor Alexandre,   KRC Genk
Boka Etienne Arthur, Stuttgart
Tene Siaka, AS Saint-Etienne
Angban Vincent de Paul, Mimosas
Zoro Kpolo Marc, Benfica Lisbonne
Abdoulaye Meité, Bolton
Angoua Brou Benjamin, Kispet Honved
Bamba Souleman, Dumferline
Eboue Emmanuel, Arsenal
Ya Konan Dider, Rosenborg
Demel Guy Roland, SV Hambourg
FAE Emerse, FC Reading
Koné Kouamatien Emmanuel, CFR CLUJ
Koulibaly Kafoumba, FC Bastia
Traoré Kain Kandia Emile, Sochaux
Traoré Abdou Razack, Rosenborg
Cissé Seku, Roda JC
Akale Kanga Gauthier, O.Marseille
Zogbo, Aristide Benoît, FC Shorta
Sports 

2818midi-mg-003277-5185-07062008 Tokantrano iray very 2 tapitrisa Ariary
Tokantrano iray very 2 tapitrisa Ariary
r.s.


2818midi-mg-003278-5186-07062008 Nanao tifitra variraraka ireo jiolahy
Tsimbazaza
Nanao tifitra variraraka ireo jiolahy
Nitrangana fanafihan-jiolahy indray teto an-drenivohitra omaly alina. Tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany alina no niseho ny fanafihana, tetsy Ankaditoho- Tsimbazaza. Jiolahy telo, mitondra basy  Kalachnikov  no nanafika kamiao iray. Norarafan'ireo jiolahy tamin'ny basy ilay kamiao ka voatifitra teo amin'ny tongony ilay mpamily. Vantany vao nijanona ilay fiara dia niakaran'izy ireo ka nalainy ny vola 2 tapitrisa teny amin'ilay mpamily. Vao avy nanatitra saribao ity kamiao ity ka hamonjy fodiana no izao sendra ny jiolahy izao. Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin'ny Commissariat Central sy ny avy ao amin'ny sampana misahana ny heloka bevava ary ny avy ao amin'ny G.I.R nijery ny zava-misy, ary efa mandeha ihany koa ny famotorana.
Toerana matetika itrangana fanafihana eny Ankaditoho eny, teny koa no nanafihan'ny jiolahy mirongo basy ilay 4x4 nitondra ankizy, herinandro vitsy lasa izay. Ny mahagaga anefa dia tsy dia lavitra loatra eo misy tobin'ny miaramila.
Betsaka ihany ny mpitandro filaminana miparitaka eto an-drenivohita, fa asa na variana manenjika ny mpitaingina scooter sy bisikileta izy ireo, ka adino ny manenjika jiolahy.
Aina R.


2818midi-mg-003279-5187-07062008 Andian'ankizy maditra &quot;Texas&quot; mamono olona
ANTSIRANANA. Hisehoana herisetra indray amin'izao fotoana izao ny tanànan'Antsiranana. Ankizy iray maty, iray naratra.
Andian'ankizy maditra Texas mamono olona
Ankizy mpianatra, 15 taona eo ho eo, no maty noho ny daroka nahazo azy nataon'ny groupe TEXAS, ny sabotsy lasa teo, teto Antsiranana. Teraka indray mantsy izao ny andian'ny ankizy maditra atao hoe Texas eto Antsiranana. Mitovy amin'ny nataon'ny groupe Foroche no ataony. Ankizy mpianatra ao amin'ny CEG PK3 no niharan'ny herisetra ny sabotsy teo raha avy nijery kermesse tao amin'ny fiangonana catholique Tanambao. Ankizy latsaky ny 18 taona no nahavanona ny loza. Ny kapoka teo amin'ny lohany no niteraka ny fahafatesany. Tsy nahatsiaro tena tao anatin'ny efatra andro izy teny amin'ny hopitaly be. Nanambara ny mpitsabo fa ny fiakarana any Antananarivo ihany no mety hanavotra azy fa tsy vita eto an-toerana noho ny tsy fahampian'ny fitaovana. Tsy zanak'olona manan-katao izy ka tsy nahavita niakatra tany Antananarivo. Ary dia izao niafara tamin'ny fahafatesany omaly alakamisy maraina izao.
Nankahery
Ny alakamisy alina dia tonga nitsidika an'io zaza io teny amin'ny hopitaly ny lehiben'ny faritra Diana Rtoa ANJARA Manantsara, nankahery azy sy ny fianakaviany. Nisy avy teo ny fanambarana nataon'ny HEMO Région mahakasika ny zava-mitranga eto Diégo. Handray andraikitra ary tsy misy indrafo manomboka izao ny mpitandro ny filaminana sy ny faritra Diana, hoy Rtoa lehiben'ny faritra, satria efa nihatra amin'ny fanafoizana ny ain'ankizy ny zava-miseho. Efa misy efatra no voasambotra amin'ireo ankizy ireo, araka ny nambaran'ny lehiben'ny faritra, omaly. Ekipa vaovao indray izao no miforona eto Diego. Tsy mbola fantatra ny mety ho tohin'izao raharaha izao, satria tsy hangina fotsiny ny fianakaviany.
Tsatok'antsy
Ankizy iray hafa kosa no voafira antsy teo anoloan'ny sekoly Lavigerie, ny alakamisy teo, raha handeha hianatra. Misy tataka ny lohany ary any amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao. Tsy latsaky ny efatra, araka izany, ny zava-nitranga tamin'ity herinandro ity mahakasika ity Texas ity. Ny fanontaniana apetraky ny vahoaka dia ny hoe: tsy hita sa tsy tadiavina ireo andian'ankizy ireo sa miandry commando special indray vao hihetsika? Efa mandeha ny famotorana rehetra ataon'ny polisy sy zandary mahakasika ity Texas ity.
V.JCL
 
Lire aussi 
Asan-jiolahy : Tokantrano iray very 2 tapitrisa Ariary


2823midi-mg-003285-5195-09062008 Olona 200 naratra nifandrombaka T.Shirt
NDAO HIHAZAKAZAKA. Maro ny olona tonga nihazakazaka omaly alahady. Toa maro loatra indray aza ka saika tsy voafehy.
Olona 200 naratra nifandrombaka T.Shirt
Saika nahitan-doza ny fiafaran'ilay hazakazaka rodobe omaly. Olona hatrany amin'ny 200 any mantsy no fantatra fa naratra tamin'ny fifandrombahana T.Shirt teny Alarobia. 130 no voasoratry ny tompon'andrikitry ny Croix-Rouge ka ny enina tamin'ireo tsy maintsy nampandalovina hopitaly hotsaboina. Ny sisa toa vita teny an-toerana ihany. Raha ny tokony ho izy dia teny Anosy, teny amin'ny toeram-piangana, no tokony hozaraina ireo akanjo ireo ho an'ireo mpandray anajara. Noho ny fahamaroan'ny olona anefa dia nilaza ny mpikarakara fa eny amin'ny kianjan'Alarobia vao hotanterahana izany. Teo dia efa nisy tezitra ka namotika ny latabatra sy ny trano lamba napetraky ny mpikarakara.
Nitomany sy torana
Rehefa tonga teny, vitsy ireo mpizara ary tsy naharaka. Nitangoronan'ny olona marobe ireo fiara nisy ny akanjo. Tamin'izany dia nisy nihanika teny ambonin'ireo fiara ireo ary namoaka ireo gony nisy ny lamba sy nanipy izany teny amin'ireo vahoaka marobe. Re teny an-toerana ihany koa ny hoe aleo hatsipy any ireo fa soa mahafaty antsika. Raikitra tamin'izay ny fifanosehana. Samy mba te hahazo ilay zavatra hatao fahatsiarovana. Ny ankizy madinika izay tafiditra tany afovoan'ny olona tany no tena nampalahelo. Maro ny nitomany na ny lehibe aza ary nisy torana mihitsy. Io omaly io koa anefa dia tsy nisy ny rano nozaraina. Asa moa na tokony hisy izany na tsia.
30 000 ny mpandray najara
Tamin'ny ankapobeny, nizotra soa aman-tsara ny hazakazaka ary samy afa-po ny tsirairay. Maherin'ny 30 000 any ho any ny olona niaraka nanatontosa ity hetsika ity. Teo ireo nisoratra anarana, izay nitondra olon-kafa hanaraka azy ireo. Feno olona ireo arabe nolalovan'ny mpifaninana. Nitohana tsy nisy ohatra an'izany ny fifamoivoizana. Tsy mbola nisy ohatra an'iny hatramin'izay nisiana hazakazaka nokarakaraina teto an-drenivohitra. Asa! Tsy ampy fialamboly angamba ny mponina ka izany no nandrisika ireo marobe ireo hanaraka ity hazakazaka ity.

Lire aussi - Vaky trano : Very ny volamena sy ny volafotsy - Raharahan'ny Texas : Ankizy 5 no voatazona any am-ponja 


2840midi-mg-003303-5214-09062008 Mpangalatra lavanila notapahan-tanana
Sazy henjana
Mpangalatra lavanila notapahan-tanana
Tratran'ny tompony teny an-tanimboly mihitsy ny mpangalatra lavanila iray ka dia niharan'ny hatezerany teo. Tamin'ny voalohany anefa, na dia efa tratra ambody omby teo aza ity tovolahy 28 taona dia sahiny ny namaly. Raikitra teo ny ady. Tsy naharesy an'ilay tompon-javatra ilay lahilahy mpangalatra. Farany, notapahan'ilay tompony tamin'ny antsibe ny tanan'ity tovolahy. Niala mihitsy izany ary nipitika tamin'ny tany. Nasain'ilay tompon'ny saha nandeha izy nony avy eo ary tavela teo ilay tanana.
Anjatony kilao
Tany Antsahavaribe fokontany Tsaratanana any amin'ny SAVA no niseho ity fanasaziana tena henjana ity. Leo amin'ny halatra lavanila ny mpamboly. Mirongatra izay tsy izy mantsy izany amin'izao fotoana izao. Ny lavanila maitso aloha izao no lasibatra. Mpamboly tsy latsaky ny enina no efa nitodnra faisana. Tsy kely no lasan'ny sasany fa mahatratra anjatony kilao marobe. Andro aman'alina no miseho ny halatra.
Hanomboka amin'ny faha-18 jona izao ny taom-pivarotana. Amin'izao fotoana izao dia azo amidy miaraka ny manta sy ny masaka ka izany indrindra no nahabe mpangalatra araka ny fijerin'ny mponina an'ity toe-javatra ity.
Saika isan-taona dia andrenesana halatra lavanila any amin'iny faritra iny. Maro ny olona naratra vokatr'izany ary toa efa nisy namoy ny ainy mihitsy aza. Volabe tokoa no mihodina amin'ny varotra lavanila. Ny sasany anefa manantena ny hoity fotsiny ny hatsembohan'ny hafa.
Mamy A. 


2840midi-mg-003304-5215-09062008 Very ny volamena sy ny volafotsy
Vaky trano
Very ny volamena sy ny volafotsy
Nisehoana vaky trano roa samy hafa tety amin'ny manodidina ny renivohitra tamin'ny sabotsy teo. Ny iray voalohany teny Mahalavolona Andoharanofotsy. Bandy miisa efatra nitondra basy no niditra tao amin'ny tokantrano iray. Tamin'ny 1 ora tolakandro no niseho izany. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin'io fotoana io. Lasan'ireo mpangalatra tamin'izany ny volamena milanja 34 gm sy volafotsy. Rehefa azon-dry zalahy ireo zavatra ireo  dia lasa izy ireo. Teny an-dalana anefa dia voamariky ny mponina fa hafahafa ny fihetsik'izy efadahy. Narahin'ny olona izy ireo ka vaky tady nandositra. Tamin'izany fandosirany izany dia napoakan'izy ireo ny basy teny aminy. Soa ihany aloha fa tsy nisy olona voa.
10 lahy
Ny vaky trano faharoa, niseho teny andrefan'I Merikasinina. Tokony ho tamin'ny 10 ora alina, jiolahy hatrany amin'ny folo no nanao be miditra tao amina trano iray. Nosokirin'izy ireo ny varavarana ary teo ny ampahany voalohany no niditra. Ny sasany, niandry tany ivelany. Na dia tsy nitondra fitaovam-piadiana aza ireo olon-dratsy dia tsy nisy sahy nihetsika ny tompon-trano. Very tamin'io alina io ny vola 5 hetsy ariary.
Nisesisesy ny vaky trano tato ho ato teto an-drenivohitra. Tamin'ny herinandro lasa teo ohatra, nisy mpamily fiara iray voatifitra teny amin'ny manodidina an'i Tsimbazaza.



2840midi-mg-003305-5216-09062008 Ankizy 5 no voatazona any am-ponja
Raharahan'ny Texas
Ankizy 5 no voatazona any am-ponja
Nitohy ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ny nahafaty ankizy lahy kely 15 taona tamin'ny zoma lasa teto Antsiranana. Ankizy latsaky ny 18 taona dimy izao no voatazona vonjy maika any am-ponja. Voarohirohy tamin'ny nahafaty an'io ankizy io ireto tazonina ireto.
Ankizy maditra
Andian'ny ankizy hafa izy ity ary samy latsaky ny 18 taona avokoa. Mitovitovy tamin'ny zavatra nataon'ny foroche iny ihany ny zavatra ataony. Tsy azo atao ny mijery azy ireo rehefa mifanena amin'ny lalana fa tonga dia voadaroka. Ahitana izany ohatra ao amin'ny fokontany cite ouvrière, ankizy roa no efa atahorana amin'izany. Iray izao no efa voasambotra naman'izy dimy lahy ireo any am-ponja. Ankizy efa manandrana rongony no fahitana azy ireo satria efa tsy manao fisainana araka tokony maha ankizy azy ireo intsony. Mitaintaina ireo mponina misy ireo andian'ankizy ireto eto Diégo amin'izao. Coup Coup no fiadiana entiny araka ny filazan'ireo nandalo teo amin'ny sekoly Lavigerie ary amin'ny fotoana tsy dia alina loatra no anaovany ny fanafiana.
Fisafoana
Mba tsy hiveranan'ny raharaha ohatra ny teo aloha dia efa mandray fanapahan-kevitra henjana ny mpitandro ny filaminana aty an-toerana. Manao ny patrouille ny polisy amin'izao isaky ny alina manerana ny fokontany. Fa saingy amin'ny lalana mahazatra ihany no isian'izany, nefa any anatin'ireny fokontany ireny no tena matetika isehoan'ny halatra, herisetra maro isan-karazany. Ny fitsofohana any anivon'ny fokontany mihitsy izao no tena tadiavin'ny vahoaka, mba handry fahalemana ity tanana ity, fa indrinda ankatoky ny fanomanana ny fetim-pirenena izao.
J.JCL 


2854midi-mg-003320-5234-10062008 Norahonany basy ny mpivarotena
ANDOHARANOFOTSY. Mampanaonao foana mihitsy ity toaka ity. Hatramin'ny olona mba mitady vola avy no korontanina.
Norahonany basy ny mpivarotena
Tranga niseho teny Andoharanofotsy  ny alin'ny 8 jona lasa teo. Tovolahy mamo, nanambana basy sy nandrahona mpivarotena sy lehilahy iray hafa. Mamo ilay ranamna tamin'io fotoana io. Amin'ny 11 sy sasany alina ny andro. Nitondra basy pistolet automatique, calibre 12, vita gasy izy ary nandehandeha eran'ny tanàna. Teo amin'ny fihantsonan'ny taxi-be tamin'io fotoana io nisy mpivarotena nijorojoro niaraka atamina tovolahy iray. Asa izay nahazo ity tovolahy ity fa norahonany tamin'ilay basy izy roa. Raikitra ny fifanjevoana ka niantso avy hatrany ny zandary teny an-toerana ny fokonolona. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy ary nentina nalaina am-bavany tany amin'ny birao.
Tsy misy bala
Teo no nahafantarana fa mpivarotra eny Andoharanofotsy ihany izy, 27 taona ary mbola tsy manambady. Araka ny voalazany dia ny hamamoana no nahatonga azy nanao izany fihetsika izany. Rehefa nosavaina ilay basy dia tsy nahitana bala akory tao anatiny. Tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana mitondra basy koa teny amin'ilay tovolahy, ary na kara-panondro aza tsy nisy teny aminy.
Efa mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao, mba hahafantarana ny niavian'ity basy ity. Tsy ho ela ihany koa dia hatolotra ny Fitsarana ny raharaha. Tsara ho fantatra fa mahavoasazy ary mety hidirana hatrany am-ponja sy handoavana lamandy ny fihetsika toy izao.



2854midi-mg-003321-5235-10062008 Tatsambo  espagnol  roalahy maty
ANTSIRANANA
Tatsambo  espagnol  roalahy maty
Nahitana fatiolona roa tao Antsiranana ny faran'ny herinandro teo. Samy tatsambo ireo maty ireo ary samy teratany espagnol avokoa. Ny voalohany maty tamin'ny 6 jona lasa teo tamin'ny 4 ora maraina. Nisy nahita tao anaty tatatra, teny amin'ny seranan-tsambo ny fatiny. Raha araka ny nambaran'ny mpitsabo nanao ny fizahana dia noho ny fianjerany tao anaty tatatra no nahafaty azy. Nidona mafy tamin'ny fantsona vy lehibe mitondra solika ny lohany, ka tsy nahatsiaro tena izy ary izao niafara tamin'ny fahafatesany izao. Vao taonga tao Antsiranana ny 5 jona, tamin'ny sambo ARTEZA io tatsarmbo io. Portela Juncal Rufino no anarany. Nandeha nisotrosotro niaraka tamin'ny namany tany an-tanàna izy, ary hamonjy fodiana no izao nianjera tany anaty tatatra izao.
Ilay tatsambo faharoa kosa dia tao anaty cabine teny ambony sambo no maty. Mbola resaka toaka ihany koa no nahafaty azy. Avy naira-nisotro tamin'ny namany tany an-tanàna izy, ary nody teny amin'ny seranana. Tsy nijanona teo anefa ny fiaraha-misotro fa mbola nitohy teny ambony sambo. Be loatra ny toaka nosotroiny ka izao niafara tamin'ny fahafatesany izao. I David Ottero Iglesias no anarany, 28 taona ary vao tonga tao Antsiranana ny 7 jona tamin'ny 2 ora tolakandro, niaraka tamin'ny sambo ACRAMA.
Ny zandary ao amin'ny seranan-tsambon'Antsiranana no miandraikitra ny famotorana mikasika izao raharaha izao. Efa nalefa tamin'ny sambo nakany Espagne ny vatana mangatsiakan'i Portela, fa ny an'i David O. kosa mbola ao amin'ny consul de France any an-toerana.



2854midi-mg-003322-5236-10062008 Rongony 60 Kg sarona
ANDRANOMENA
Rongony 60 Kg sarona
Saron'ny polisy avy ao amin'ny SUT tetsy Andranomena ny 5 jona lasa teo ny rongony 60 Kg nentina avy any Antsiranana. Nafatratra tao anatina valizy lehibe iray ireo zavamahadomelina  ary nafenina tany anaty entan'ny mpandeha. Vao niainga avy any Antsiranana ilay fiara dia efa naharay vaovao ny polisy, ary dia izao noraisim-potsiny teny Andranomena izao. Voalaza fa isan'ny rongony tsara karazana eto Madagasikara ireo rongony tratra ireo. Samy nandà tsy ho tompon'ny entana ireo mpandeha rehetra raha tsy efa nalaina am-bavany tany amin'ny commissariat central (Tsaralalàna). Natolotra ny Fitsarana avy hatrany io lehilahy tompon'entana io.



2859midi-mg-003328-5242-10062008 Ankizy roa nentiny nanaraka azy
Hala-jaza
Ankizy roa nentiny nanaraka azy
Omaly no niseho teny Andranoro Ambohibao ity zavatra hafahafa ity. Nentin'ity vehivahy iray nanaraka azy ny zaza roa tao amin'ny trano iray. Soa ihany fa vetivety dia sarona ny zavatra saika nataony,  ka mba hita tsy dia lavitra loatra ireo ankizy ireo.
Rehefa hitan'ity vehivavy iray fa lasa nivoaka ny ray aman-drenin'ireo ankizy dia nankeo amin'ilay trano izy. Ankizy telo no navela tao niandry trano. Nilazan'ity mpisandoka ireo ankizy kely fa nirahan'ny reniny izy haka ny lamba ao an-trano hosasana. Ny ankizy amin'ny maha zaza azy dia tsy nanana eritreritra hafa. Nomeny ilay ramatoa ny lamba rehetra. Rehefa izany, nentina nanaraka azy ny zaza roa.
Soa ihany anefa fa tsy ela dia tafaverina ny renin'ireo zaza. Rehefa nanontaniana ilay tavela dia nilaza ny fandehan-javatra. Taitra ilay renim-pianakaviana ka tsy niandry fa nampandre haingana ny zandary izay tsy dia lavitra teo. Natao ny fikarohana tsy nisy hataka andro. Ankevitry ny tsinjon'ilay saika hangala-jaza izany koa dia navelany tsy lavitra ny fantsakana ireo ankizy. Izy kosa nanjavona.



2864midi-mg-003334-5250-11062008 Les matches obtenus
Les matches obtenus
7 juin : Suisse contre Tchèque
12 juin : Croatie contre Allemagne
13 juin : Pays Bas contre France 
17 juin : France contre Italie
21 et 22 juin : deux matches de quart de finale 
26 juin : une demi-finale
29 juin : la finale
Anny Andrianaivonirina 
Sports 

2866midi-mg-003337-5253-11062008 Kamiao nivadika, olona telo maty
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Ny fandikana lalàna matetika no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana.
Kamiao nivadika, olona telo maty
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo tany amin'ny faritr'i Tsiroanomandidy, ny alatsinainy lasa teo. Teo amin'ny toerana atao hoe Akadin'ny Zanadambo no niseho ny loza. Ho an'ny mpamily tsy zatra lalana dia sarotra tokoa ny mandeha amin'ilay lalam-piakarana eo izay hatrany amin'ny 60% any ny pente. Teny an-tenantenam-piakarana no nampiditra vitesy matanjaka ilay mpamily. Tsy tafiditra anefa izany ka nihemotra ilay fiara. Nivadika ary dia izao nahafaty olona izao. Mpandeha nipetraka tao aoriana avokoa ireo. Ny roa dia mpifamofo ary nikasa ny hanao mariazy amin'ny volana jolay. Ny iray, tovolahy zanaky ny tompon'ny fiara. Tapaka kosa ny tongotry ny mpamily ary mpandeha iray hafa tapaka hazon-damosina. Fiara 404 bâché iray nandeha tamin'ilay lalana no namonjy ireo olona naratra. 15 mn taorian'ny nisehoan'ny loza izy io no tonga teo amin'ilay toerana.
Tsy mitondra mpandeha
Raha ny lalàna misy, tokony tsy hahazo hitondra mpandeha ny fiara mpitatitra entana. Any amin'ny faritra ambanivohitra lavitra rehetra any anefa, noho ny tsy fisian'ny fiara mpitatitra olona dia ireny kamiao mpitondra entana ireny ihany no andehanan'ny mpiantsena. Tamin'ny 6 ora hariva ity fiara ity no niala avy tao Tsiroanomandidy. Efatra ireo fiara ireo no tokony hanainga hamonjy ny tanànan'Ambatomainty. Avy aty Arivonimamo izy ireo. Ny antony handehanana hariva ohatran'izany dia miala ny fisavan'ny polisy ao an-tanàna.
Akadin'ny Zanadambo
Tsy vao izao no nisy loza namoizana ain'olona teo amin'io fiakarana io. Taona vitsy lasa izay, niharan-doza teo ny fiara nitondra miaramila zanadambo. Nahatratra hatrany amin'ny folo no indray maty teo. Nanomboka teo dia nampitondrain'ny olona ny anarana hoe Akadin'ny Zanadambo ilay faritra. Ao anelanelana tendrombihitra roa avobe no misy ilay lalana. Misy hantsana ihany koa ilay izy. Raha ho any amin'ny faritra Ambatomainty mampiasa ny RN1 Bis, dia tsy maintsy mandalo eo. Ho an'ny olon-tsotra tsy afaka mandeha fiaramanidina dia io ihany ny lalana.
HJ 


2866midi-mg-003338-5254-11062008 Zazavavy maty nofaohin'ny fiara
67 Ha
Zazavavy maty nofaohin'ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray teto an-drenivohitra omaly antoandro. Loza niseho teny 67 Ha Atsimo, lalana mihazo an'Andohatapenaka iny. Zazavavy kely, 15 taona eo ho eo, handeha haka mpianatra no maty voafaokan'ny fiara.
Raha niampita arabe iny indrindra ilay tovovavy no nirimorimo avy any ilay fiara ka nifaoka azy. Voadona mafy ny lohany tamin'izany. Nipitika lavidavitra avy eo amin'ny toerana nahavoadona azy mihitsy ilay niharan-doza. Vokatry ny dona mafy nihatra taminy dia maty tsy tra-drano ilay tovovavy.
Ankoatra ilay vehivavy maty, dia potika tanteraka ihany koa ilay fiara nandona azy. Pempo ny lohany ary vaky ihany koa ny fitaratra teo anoloana. Fiara Peugeot 405 ity nandona azy ity.
Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy, ary nanao ny fizahana rehetra. Ny vatana mangatsiakan'ilay zazavavy kosa nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA, saingy tsy nahazoam-baovao na efa nalain'ny fianakaviany na tsia. Izany dia noho ny fepetra vaovao noraisin'ny tomponandraikitra ao amin'ny hopitaly, satria tsy misy vaovao mahazo mivoaka intsony ao. Asa na misy zavatra afenina na ahoana, fa nomena baiko ny mpiasa tsy hahazo hiresaka amin'ny mpanao gazety intsony. Tsara raha manangana sampana manokana hifandraisana amin'ny mpanao gazety, toy ny an'ny polisy sy ny zandary izy ireo mba hamoahana ny vaovao ofisialy.



2866midi-mg-003339-5255-11062008 Mandrahona an-taratasy ny mpamaky trano
AMBOLOKANDRINA
Mandrahona an-taratasy ny mpamaky trano
Saika tato ho ato dia nandrenesana vaky trano foana teny amin'iny faritr'Ambolokandrina iny. Ary ireo mpianatra teratany vahiny monina eny no tena lasibatra amin'izany. Andian-jiolahy mitondra sabatra ireto manafika ireto, ka ny solosaina sy ny lecteur vcd ary ny vata fahitalavitra no alainy. Tsy vitan'ny mangalatra fotsiny anefa ireto jiolahy ireto fa mandefa taratasy fandrahonana mihitsy. Vao tamin'ny herinandro teo izao no nisy naharay taratasy milaza fa raha tsy miala ao ny tompon-trano amin'ny fotoana handalovan'ireo jiolahy ao dia hovonoiny ho faty. Mihorohoro ny mponina vokatr'izany ka manaitra ny sain'ny tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka.



2866midi-mg-003340-5256-11062008 Maty nihinana voromailala voapoizina
Fianarantsoa
Maty nihinana voromailala voapoizina
Ankizilahikely 7 taona no maty vokatry ny fihinanana voromailala voapoizina tamin'ny sakafo namandrihana voalavo. Tany Andriana Fianarantsoa no niseho ity zavatra mampalahelo ity tamin'ny sabotsy lasa teo. Miompy voromailala ny rain'io zaza io. Etsy andaniny anefa, marobe koa ny voalavo ao amin'ny trano ipetrahany. Matetika izy no mamandrika izany. Tamin'iny herinandro lasa iny, nafafiny tamin'ny toerana misy voalavo ny poizim-boalavo. Nisy voromailala iray nihinana izany anefa ka maty. Tamin'io fotoana io, lasa niantsena rangahy ka ilay zaza irery no tao an-trano. Nalainy ny fatin'ilay vorona dia natonony ary nohaniny. Fotoana fohy taorian'izay dia maty izy. Niverina avy any an-tsena ilay rainy, io ilay zanany efa mitsiatra tsy misy aina intsony.
Ny vaovao no nahalalana fa efa fanaon'ity raim-pianakaviana ity ny mitono voromailala. Izay fanaony izay no nalain'ilay zanany tahaka saingy tsy fantany ny antony nahafaty ilay vorona.
HAR 


2866midi-mg-003341-5257-11062008 Maty nihinana trandraka
Loza
Maty nihinana trandraka
Vehivavy iray sy ny zanany no maty vokatry ny fihinanana trandraka, tany amin'ny tanàna atao hoe Anjialavabe, faritr'i SAVA. Raha ny filazan'ny dokotera dia hoe, nihinana zavatra misy poizina ho an'ny olombelona ity trandraka ity.
Nivoaka maraina ilay raim-pinakaviana haka ravin-dongoza hanaovana koba. Tamin'io fotoana io, nahita trandraka lehibe izy. Nenjehiny izany ary azony. Tsy nohaniny avy hatrany ilay biby fa mbola nompiany nandritra ny efatra andro. Novonoiny ilay izy ary nandrahoany taorian'izany.
Rehefa masaka ny sakafo, nihinana ny zanany iray sy ny vadiny. Izy sy ny zanany iray hafa kosa mbola tsy nikitika ilay sakafo. Raha vao avy nihinana anefa izy mianaka ireo dia narary ary tsy niandry ela dia maty. Samy tsy misy mahalala ny olona fa rehefa mihinana karazan-javatra ny biby any an-tsaha na any anaty ranomasina any dia tsy tokony hohanina aloha.
Mamy A. 


2866midi-mg-003342-5258-11062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Vatomandry, nahodiny ny simenitra. Olona iray no voasambotra vokatry ny ezaka nataon'ny zandary avy etsy Ambohibao. Voarohirohy tamina fanodinkodinana simenitra nasaina nateriny tany Vatomandry ity olona ity. Nandeha nankany tokoa izy saingy vao niainga teto an-drenivohitra dia efa namidiny tsikelikely ny entan'olona. Nandalo an'iny lalalm-pirenena faha-2 iny, nivarotra hatrany izy. 10 taonina ny entana, lafony ny 2 taonina tamin'ireo. Rehefa sarona ny zavatra nataony, tsy hita izay nalehany. Natao ny fikarohana azy ka tratra tany Vatomandry izy. Fantatra avokoa ireo mpandray ny halatra.
 - Tsiroanomandidy, maty irery tao an-trano. Vehivavy iray no fantatra fa maty irery tao an-tranony tao Mangarivotra Tsiroanomandidy. Rehefa nojeren'ny mpitsabo ny razana dia fantatra fa vokatry ny fanalana zaza nataony no nahafaty azy. Namany iray nitady azy no nampandre ny sefom-pokontany. Araka ny filazan'io farany, dia mpivarotena ity olona namoy ny ainy ity.
 - Antalaha, halatra omby hafahafa. Fokontany efatra no nitrangana halatra omby hafahafa tamin'ny herinandro lasa teo. Avoakan'ny sasany ny ombin'olona. Entiny mandeha lavitry ny tanàna. Tapahany ny lohan'ny omby, rehefa avy eo hangalana eo amin'ny antsasa-kilao eo ny nofom-pen'ilay biby dia avelany eo. Lasa mandeha izy ireo avy eo. Nisy rangahy lehibe iray nilaza fa toa hoe hanaovana ody gasy ilay hena nalainy. Amin'izay mantsy hono, rehefa mangalatra omby maro ireo dahalo dia tsy afaka manara-dia ny tompony.
 - Ankazomiriotra, mpivarotra voadaroka. Tamin'iny herinandro lasa iny, mpividy entana iray no nisy nidaroka teo akaikin'ny fiangonana. Tsena ny andro, avy any ambanivohitra ity mpividy entana ity. Mpaninjara izy any. Efa hariva ny andro vao nitodika hamonjy fodiana rangahy. Bisikileta no nentiny ary maro ny entana novimbininy. Rehefa nandalo ilay fiangonana anefa, nisy roalahy nanakana ary nidaroka azy. Nisy taxi-brousse nandalo tamin'io ka nandositra ireo jiolahy. Nentina tany amin'ny hopitaly izy noho ny ratra nahazo azy.
r.s./HJ/M.A./Lova 


2866midi-mg-003343-5259-11062008 Zanaka manamboninahitra nangalatra vata fahitalavitra tany amin'ny hotely
TOLIARA. Raha ny mangalatra savony sy  serviette  no faheno hatramin'izay, dia hafakely kosa ny an'ity tovolahy ity.
Zanaka manamboninahitra nangalatra vata fahitalavitra tany amin'ny hotely
Halatra niseho tany Toliara ny faran'ny herinandro teo. Zanaka manamboninahitra no tratra nangalatra tany amin'ny trano fandriam-bahiny. Toy izao ny fandehany: nitondra vehivavy tany amin'ny tranon-dopy tany ilay tovolahy. Mbola tsy nisy olana aloha hatreo, satria voaloany ara-dalàna ny hofan'ny trano. Nanao izay nataony tao izy roa kely, rehefa vita anefa izany dia nanangan-tsampona amin'izay ilay tovolahy. Nobatainy ny vata fahitalavitra tao amin'ny trano nandriany. Tsy lasa lavitra akory anefa dia tratra izany. Nantsoina ny mpitandro filaminana, ka ny avy ao amin'ny seranan-tsambon'i Toliara no nandray ny raharaha. Ary efa mandeha ny famotorana sy ny fakana am-bavany amin'izao fotoana izao. Mbola tsy nahazoam-baovao kosa anefa raha natolotra ny Fitsarana ihany ny raharaha na novitaina tamin'ny raharaham-pihavanana. Ilay fahitalavitra rahateo tafaverina soa aman-tsara amin'ny tompony, ary mba isan'ny olona tsongoin'olom-bolo any an-toerana ny ray aman-drenin-drazazalahy.
Hafa kely
Hafa kely mihitsy ny zavatra nataon'ity tovolahy ity. Fitsiriritana ny fananan'olona sa ditra tsotra izao? Raha ny fandre mahazatra mantsy dia ny savony na ny  serviette , na ny lambam-pandriana any amin'ireny trano fandriam-bahiny ireny no tena misy mangalatra, fa ny an'ity tovolahy ity kosa efa tafahoatra loatra. Aiza ve ka dia ny fahitalavitra no nobataina. Na ny fomba nitondrana an'izany nivoaka aza ve tsy raharaha be? Efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana ka ho hita eo ny ho fivoaran'ny raharaha.

Lire aussi - 67 Ha : Zazavavy maty nofaohin'ny fiara - Ambolokandrina : Mandrahona an-taratasy ny mpamaky trano - Fianarantsoa : Maty nihinana voromailala voapoizina - Loza : Maty nihinana trandraka - Tapatapany 


2873midi-mg-003351-5267-11062008 Un réservoir environnemental et économique
Réserve spéciale Mangerivola. Une ère considérée comme une véritable richesse nationale
Un réservoir environnemental et économique
Un réservoir environnemental et économique, la Réserve Spéciale (RS) de Mangerivola l'est. Elle est même considérée par les spécialistes de l'environnement comme une véritable richesse nationale, meilleure que la réserve d'Andasibe, dans la région Atsinanana. Cette RS est située à 128 kilomètres de la capitale économique Toamasina, dans le district de Brickaville. Malgré sa relative proximité, à moins de 50 kilomètres à vol d'oiseau de la capitale régionale Atsinanana, la RS Mangerivola se trouve dans une situation d'isolement bien prononcé. Les 45 kilomètres de route secondaire vers Anjahamana, à partir d'Ampasimadinika sur la RN2, sont à parcourir en cinq heures d'horloge. La commune rurale d'Anjahamana est à proximité de cette réserve spéciale avec les 90% de sa superficie. Cette dernière est estimée à 13 000 hectares dont 10% sont dans la commune rurale d'Ifito Sahaviavy, district de Toamasina II. Notons que cette réserve spéciale est inclue dans le corridor Ankeniheny - Zahamena. Elle a été créée en 1958 en vue de préserver un échantillon représentatif des forêts pluviales de basse et moyenne altitude de l'écorégion Est.
Echantillon
Actuellement, faisant partie du réseau des aires protégées de Madagascar, gérées par l'ANGAP, la RS Mangerivola est un échantillon de forêts denses et humides de basse et moyenne altitude. La réserve spéciale Mangerivola est surtout reconnue avec la grotte baptisée  Cratère renard . Toutefois, une richesse spécifique élevée en matière de diversité biologique est remarquée. 66 familles de flore avec 169 genres, 325 espèces dont 170 endémiques sont répertoriées jusqu'à présent. Pour les faunes, on a identifié 7 espèces de lémuriens, 6 espèces de rongeurs, 9 espèces d'insectivores, 3 de carnivores, 100 oiseaux dont 33 endémiques, 19 reptiles, 45 amphibiens et 2 familles de crustacées. La réserve constitue un réservoir d'eau pour les vastes zones qui lui sont périphériques, car plusieurs rivières y prennent leur source. Ces cours d'eau jouent un rôle économique très important pour la région, à l'image de la rivière Morolongo dont un affluent alimente le centre hydro-électrique de Volobe exploité par la JIRAMA. Bref une réserve spéciale importante pour le marché de carbone et en plein développement économique.
Recueillis par Jean-Claude STEVE 
Cahier Société 

2903midi-mg-003382-5302-12062008 Faty nihantona tao anaty garazy
ANKADINDRAMAMY. Vao maraina dia nitangorona ny olona. Tonga teny ny tao amin'ny fokontany sy ny polisy, nijery ny zava-misy.
Faty nihantona tao anaty garazy
 Tsy namono tena izy fa nisy namono. Tsy mba nanana olana na tamin'iza na tamin'iza i Njara fony fahavelony, ka tsy misy antony tokony hamonoany tena, hoy ny rahalahin'ny maty raha tafaresaka taminay. Nisehoana vonoan'olona indray mantsy teto an-drenivohitra alina. Tovolahy 24 taona no hita faty, nihantona tao anaty garazy tetsy Ankadindramamy (ampitan'ny Mikoja), ka namany sendra hindrana clé tao aminy vao maraina no nahita ny faty mihantona amin'ny tady.
Miasa amina garazy etsy Ankadindramamy i Njara, 24 taona, ary olona sariaka sy tia mifandray aman'olona, raha araka ny voalazan'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny fokontany. Omaly anefa dia hita nihantona tao anatina tranokely fasiana fitaovam-piasana tao amin'ny garazy ny vatana managatsiakany.
Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra na maty novonoina izy vao nahantona teo, na namono tena. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana rahateo ny mpitandro filaminana.
Novonoina
 Ny fianakaviana kosa etsy an-daniny dia manizingizina fa maty novonoina izy ary napetraka tao ny fatiny. Mbola niasa teo amin'ny garazy izy omaly hariva, ary tsy mba niresaka na inona na inona taminay, gaga anefa izahay nahare fa maty i Njara , hoy kosa ny nambaran'ny namany hafa. Fiara maty aza ve velominy dia ny tenany indray no hovonoiny? hoy izy nanohy ny teniny.
Mampiahiahy ihany ny fomba nahafaty ity tovolahy ity. Na ny mpitandro filaminana sy ny dokotera tonga teny an-toerana nanao ny fizahana aza nandany ora maro mihitsy nandinika ny pitsopitsony rehetra. Raha ny fijery azy aloha dia maty novonoina i Njara. Toa tsy misy elanelany firy akory ny lohany sy ny tafon'ny trano ary ny fatotra eo amin'ny tendany. Izany hoe tsy misy elanelana hilatsahan'ny vatany ka hahakenda azy, ary nahitana mangana ihany koa ny tarehiny. Ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana ihany anefa no ahafantarana ny marina rehetra mikasika izao raharaha izao.



2903midi-mg-003383-5303-12062008 Hatrany anaty fisoko ny volamena
Hatrany anaty fisoko ny volamena
Mahavariana mihitsy ny zava-misy any amin'ny faritr'i Mananjary. Any amin'ny kaominina Vohilava ny marina kokoa. Hatrany anaty fisoko fitoeran'ny ganagana ahitana volamena. Anisan'ny faritra misy volamena any amin'iny faritra iny ary Karazan'ny tena tsara indrindra. Mpiompy gana maro dia maro ny olona. Avoaka ireny vorona ireny rehefa antoandro; ampidirina anaty fisoko izany rehefa alina. Mandeha amin'ireny sakelin-drano isan-karazany ireny ireo vorona ireo mitady sakafo.
Tsy dia misy mahasamihafa azy amin'ny toerana maro eto amin'ny nosy izany. Ny mahavariana, rehefa manadio ny fisoko ny tompony dia variana mahita zavatra mangirana miaraka amin'ny tain-gana. Tsy naharitra izy ireo fa nanivana izany ary dia nahazo volamena. Sahala amin'izany avokoa ireo mpiompy rehetra. Araka ny filazan'ny ben'ny tanana, mahatratra hatrany amin'ny 1 kilao isam-bolana ny volamena azo amin'iny faritry Vohilava iny.
HAR 


2903midi-mg-003384-5304-12062008 Tratra ny mpangalatra taolam-paty
Mananjary
Tratra ny mpangalatra taolam-paty
Taolam-paty telo gony no hitan'ny mpanarato iray tao anaty rano tany amin'ny renirano atao hoe Andibodiboky, any amin'ny fokontany Ambodiriana, tamin'ny sabotsy lasa teo. Nanaraka ny haratony ireo zavatra ireo ary noheveriny fa entan'olona latsaka tanaty rano. Nampiakariny tsikelikely izy ireo. Rehefa novahana, taolana no tao. Niantso ny olona tany an-tanana izy. Nampandrenesina koa ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra mihitsy ny fiavian'ireto zavatra ireto.
Tapaka ny hevitra fa hatao ny vela-pandrika. Nahitana vokany izany. Nisy lehilahy iray tafiditra tamin'izany ary niteny fa raha mbola mitady ianareo, afaka maka izahay. Ny lasan'ny fokonolona tsy azo alaina intsony. Nofaninina tamin'ny fanontaniana teo izy ka nibaradaka. Tsy afaka nanoro izay olona mpandray izany taolona izany kosa izy.
Mahatratra 31 kilao ireo taolona ireo. Fantatra ihany koa fa tany amin'ny toerana atao hoe Bevoraky no nisy ny fasana nagalana ireo taolana ireo.
HAR 


2904midi-mg-003386-5306-12062008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Mandrosoa Ivato. Niharan-doza ny fiaran'ny polisy. Nifandona tamina Peugeot 405 ny fiara mpisava lalana an'ny polisy ny alin'ny talata teo, tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany alina. Nisava ny lalan'ny manampahefana vahiny notsenaina teny Ivato izy ireo izao niharan-doza izao.
 - Anosy. Miaramila nofaohin'ny fiara. Lozam-pifamoivoizana niseho afakomaly alina tamin'ny 8 ora. Miaramila nivoaka avy ao Ambohitsorohitra no nofaohin'ny fiara Opel. Naratra mafy izy ary tsy nahatsiaro tena.



2904midi-mg-003387-5307-12062008 Maty voatifitra ny mpandeha iray
4X4 NOROBAIN'NY JIOLAHY. Miseho lany hatrany ny fanafihana fiara eny amin'ny lalam-pirenena. Mamono olona mihitsy ireo mpanafika.
Maty voatifitra ny mpandeha iray
Fanafihan-jiolahy tany amin'ny lalam-pirenena mampitohy an'Ivohibe (Ihosy) sy Vondrozo ny 9 jona lasa teo, tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany antoandro. Fiara 4x4, an'ny orinasa SOMEA no nisy nanafika, tany Ampanitelo, 4 Kilometatra tsy hidirana ny tanàna.. Nitifitra ireo jiolahy ka maty ny iray tamin'ireo mpandeha; ny mpamily kosa naratra mafy. Handeha hanao fitsidihan-toerana no antondian'ireto olona ireto tamin'io fotoana io.
Nosakanan'ireo jiolahy tamin'ny vato sy vatan-kazo ny lalana ary nisitrika tany anaty akata izy ireo. Nijanona ilay fiara ary nivoaka ny mpamily hanala ireo sakana. Teo indrindra anefa no nipoitra tampoka ireo mpanafika ary nitifitra ilay mpamily. Voa teo amin'ny tongony ity farany ka niverina haingana tao anaty fiara. Ilay mpandeha nipetraka teo anoloana kosa nivoaka nanavotra ilay mpamily, ary niezaka nanodina ny fiara saika hitsoaka hiverina ho any Ihosy, kanjo notifirin'ireo jiolahy ka maty teo no ho eo koa.
Nandositra
Tsy nisy navelan'ireo mpanafika hihetsika ny tao anaty fiara ary nalain'izy ireo avokoa ny entana rehetra, ny vola ary ny zavatra sarobidy teny amin'ireo mpandeha. Azon'izy ireo izany nilainy dia iny izy no nirifatra nandositra, ary navelany teo ireo olona maty sy naratra niaraka tamin'ny fiara. Ireo mpandeha roa sisa tsy naratra tao anaty fiara avy eo no nitondra ireo namany nankany vondrozo ary nampandre ny zandary tany an-toerana. Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nandrenesam-baovao ny mikasika ny tohin'ity raharaha ity, fa efa eo am-panaovana famotorana amin'izao fotoana izao ny zandary avy ao amin'ny kaompanian'i Farafangana.

Lire aussi - Hatrany anaty fisoko ny volamena - Mananjary : Tratra ny mpangalatra taolam-paty - Banditisme : Un Karana agressé chez lui - Tapatapany 


2930midi-mg-003414-5337-13062008 Vazaha nifamono, maty ny iray
Mahajanga. Resaka hofan-trano no nahatonga ny fifamaliana. Ny alikaola rahateo efa nanomboka niakatra.
Vazaha nifamono, maty ny iray
Niafara tamin'ny faty olona ny resadresaka sy ny fiaraha-misotron'ireto vazaha telolahy mpinamana tany Mahajanga. Ny 7 jona lasa teo no niseho ny tantara tao Amborovy - Mahajanga. Tonga nanao vakansy taty Madagasikara i Benejean Jean Louis, ary nivantana tao amin'ny rahalahiny Benejean Yvon. Tamin'io andro io dia nasain'izy roalahy hiara-hisotrosotro taminy i Pierre Eric, izay mpandraharaha naman'izy ireo ihany. Nandeha teo ny resaka ary rehefa nanomboka niakatra ny toaka dia nivadika fifamaliana tamina resaka hofan-trano izany. Nifampitolona i Yvon sy Pierre ka nanasaraka i Jean Louis. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa mbola nitohy ihany. Raikitra ny tolona sy ny totohondry ka voa mafy i Jean louis izay nanasaraka. Niditra an-tsehatra indray i Yvon nanasaraka azy roalahy. Naharitra minitra maromaro ny ady vao nijanona tanteraka. Rehefa nilamindamina dia samy nody tany an-tranony avy izy telo lahy.
Nandeha rà
Vao nipetrapetraka kely tao an-trano anefa dia nandeha rà be ny vava sy ny oron'i Jean Louis. Nentina haingana tany amin'ny hopitaly izy, saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Araka ny nambaran'ny mpitsabo, dia fahavakisan'ny lalandrà tany anaty lohany no nahatonga izany. Voadona mafy nandritra ny fifampitolomana ny lohany. Tompona orinasa goavana any Frantsa (Champs Pellerin) ity vazaha namoy ny ainy ity.
Nosamborin'ny zandary avy hatrany i Pierre Eric, ilay niady taminy, ary notanana vonjimaika any amin'ny biraon'ny zandary. Mbola mitohy ny famotorana mikasika ity raharaha ity.
r.s 


2930midi-mg-003415-5338-13062008 Hanao fitokonana ny mpiasan'ny CMDM
Antsiranana
Hanao fitokonana ny mpiasan'ny CMDM
Araka ny fitakiana nataon'ny mpiasa ao amin'ny orin'asa CMDM eto Antsiranana dia hapetraka ny convention collectif izay amehezana ny tombotsoa omen any mpiasa. Efa natsangana ny commission nikarakara izany ary efa vita ny drafitra rehetra. Ity commission natsangana ity dia nahitana ny solontenan'ny mpiasa, syndicat, ny solon-tenan'ny orin'asa izay tendren'ny tale jeneraly. Voa rakitra ao ohatra ny prime de risqué ho an'ny mpiasa sy resatra fahazoana trano. Nakatoavin'ireo mpikambana rehetra tao ny fehin-kevitra tapaka ary nalefa any amin'ny tale jeneraly any Antananarivo. Ny herin'andro teo dia nisy ny fiantsoana nataon'ny tale jeneraly  ireo solontenan'ny mpiasa ireo tany Antananarivo mba handalinba ny raharaha. Roa andro izy ireo tany nefa tsy voaray sy nisy dinika natao ka voatery niverina. Omaly dia nanome fe-potoana 48 ora ny tale jeneraly izy ireo hamaly izany ary mety hiafara amin'ny fitokonana raha toa ka tsy misy valiny mahafa-po azy ireo. Efa nandefana taratasy avokoa ireo ambaratongam-pahefana rehetra misy sy voakasika amin'izany. Na dia teo izany dia tsy mbola niantso ireo mpiasa ireo ny tompon'andraikitra ao amin'ny sampandraharaha mikarakara ny asa eto  antoerana  Inspecteur de Travail.Ho hita amin'ny asabotsy ny mety ho tohiny.
V.JCL 


2930midi-mg-003416-5339-13062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Sambaina. Mpitondra bisikileta maty nofaohin'ny fiara. Lozam-pifamoivoizana niseho tamin'ny lalam-pirenena faha-2 (mampitohy an'Antananarivo-Toamasina), ny harivan'ny 11 jona. Teo amin'ny tanànan'Ambohimahandry PK 43, mpitondra bisikileta no voafaokan'ny taxi-brousse Kofilac. Naratra mafy ilay lehilahy ary nentina tany amin'ny hopitaly, saingy maty teny an-dalana.
 - Antsiranana. Mitokona ny mpibata entana ao amin'ny seranan-tsambo. Nanome 48 ora ny tomponandraikitra ireo mpibata entana ao amin'ny seranan-tsambon'Antsiranana fa hanao fitokonana faobe. Ny antony dia noho ny fanafoanana ny fanomezana azy ireo ireo tapa-trondro tsy aondrana any ivelany. Efa nivory mikasika io raharaha io ny tomponandraikitra any an-toerana.
 - Sadabe. Nirefodrefotra ny basy. Dahalo enin-dahy nanafika ny tanàna. Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao Ankohaka- Sadabe afakomaly alina. Dahalo enina mirongo basy no nanafika. Lasan'izy ireo ny omby folo ary nentiny nitsoaka nianavaratra. Efa manao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary any an-toerana saingy tsy mbola nahitam-bokany.
Aina R/r.s/V.JCL 


2957midi-mg-003444-5370-14062008 Tobin'ny zandary feno menarana masiaka
Hafakely
Tobin'ny zandary feno menarana masiaka
Misy zavatra hafa dia hafa mitranga any Mantsoandakana any amin'ny faritry Mandritsara any. Misy menarana miditra mantsy, araka ny vaovao voaray ny tobin'ny zandary. Ankoatra an'io dia misy biby hafa ihany koa. Raiki-tahotra ireo mpitandro filaminana sy ny fianakaviany amin'ity tranga ity. Ny vaovao ihany no nahalalana fa zandary roa izao no nampidirina hopitaly. Tsy fantatra aloha na nokaikerin'ny biby izy ireo na narary noho ny tahotra.
Eo anatrehan'ny zava-misy, nanatontona ny ray aman-dreny eo an-tanàna ny tao amin'ny toby. Araka ny filazan'izy ireo, misy zavatra tsy mandeha amin'ny tokony ho izy ao matoa ireo bibilava ireo miditra an-dakazerina ohatran'izao. Nisy nanota fady angamba. Ahitana ireo biby avokoa mantsy na ny birao fiasana na ny trano hipetrahana. Voalaza koa fa masika ireo biby ary manenjika mihitsy.
Angatra
Fa ankoatra ny biby, dia voalaza koa fa misy angatra amin'ilay faritra. Tao anatin'ny tapabolana no nisy izao zavatra izao. Tsy mbola nisy ny fepetra noraisina. Miambina no ataon'ny fokonolona sy ny zandary. Tsy misy hatramin'izao sahy mikitika ireo bibilava ireo. Raha ny marina izany, tokony hanaovana joro eo amin'ny faritra nanorenana ny birao sy ny trano fiasan'ny mpitandro filaminana. Miombona feo amin'izany ny akamaroan'ny mponina.
Eo am-piandrasana izay hamahana ny olana, miaina amin'ny tebiteby ny rehetra. Tsy ireo zandary sy ny fianakaviany ihany fa ny olona eo an-tanàna.



2957midi-mg-003445-5371-14062008 Enina androa voa hita ny razana
Fanampim-baovao
Enina androa voa hita ny razana
Tonga nanome fanampim-baovao taty amin'ny gazety ny rahalahin'ilay polisy maty nitsambikina teo amin'ny tetezan'i Fatihita. Araka ny filazany, enina andro fa tsy efatra vao hita ny razana. Manambara ny alahelony ihany koa izy amin'ny tsy fisian'ny fanomezan-tanana teo amin'ny mpamily ilay fiara sy ny mpandeha sasany. Nolazain'ny rahalahin'ilay maty fa tsy nisy mihitsy ny famonjena nataon'izy ireo fa nitazam-potsiny an'ilay olona niditra tao anaty rano. Nanaraka ny sisiny fotsiny no nataon'izy ireo, araka ny filazan'ny rahalahiny. Mbola hatreny am-balahana ny rano tamin'izay.


2972midi-mg-003461-5389-16062008 Championnats de Madagascar Orange Jeunes
Championnats de Madagascar Orange Jeunes
Les nouveaux champions de Madagascar
Filles
100m- Cadettes/ Rahasina Georgette (COSRM 52, Sakaraha) : 12''89
200m- Juniors/ Rabotovao Estelle (CAF, Fianarantsoa) : 26''27
400m- Cadettes/  Taiatraka Angélique Diana (ASCUT, Toamasina) : 58''68
100m haies- Cadettes/  Ravaoarilanto Francia (ASCUT, Toamasina) : 16''77
1500m- Cadettes/ Fleur Soa (COSRM 52, Sakaraha) : 4'54''45
3000m- Cadettes/ Thérèse Marie Crown (CABEVA, Antananarivo): 10'46''82
3000m marche- Cadettes/ Dedy Tsaravola Francine (FIHEZAMA, Antananarivo): 18'30''74
5000m marche- Juniors/ Fanjanirina Holifinaritra (CABEVA, Antananarivo): 34'11''93
10 000m- Juniors/ Ramanantenasoa Marinah Florence (FFFA, Antananarivo) : 39'28''8
Triple saut- Cadettes/ Ravaoarilanto Francia (ASCUT, Toamasina) : 10m65
Juniors/ Rasendraharisoa Miora (PMS, Antsirabe): 11m08
Poids- Cadettes/ Vololona Deleine (COSRM 52, Sakaraha) : 8m62
Disque- Cadettes/ Vololona Deleine (COSRM 52, Sakaraha): 27m82
4x100m- Cadettes/ COSRM 52 Sakaraha (Rollande, Floridah, Odile, Georgette): 51''16
Garçons
100m- Cadets/ Tiandraza Norbert (AJAT, Toliara) : 11''35
200m- Juniors/ Heriniaina Patrick (AJAT, Toliara): 22''78
400m- Cadets/ Ravelomanana Florent (AJAT, Toliara) : 49''76
110m haies- Cadets/ Andriamifidy Solofo Herizo (TAF, Antananarivo): 15''57
400m haies- Juniors/ Nambinisoa (HTTA, Antsiranana): 59''51
800m- Juniors/ Faratina Bertrand (COSRM 52, Sakaraha): 2'00''02
1500m- Cadets/ Reste Riry (ASPNATO, Toliara): 4'18''11
3000m -Cadets/Djeinky Akbary (ASU, Toliara): 9'13''09
3000m steeple- Juniors/ Ambalahy Laurent (HTTA, Antsiranana): 10'26''25
5000m marche- Cadets/ Nomenjanahary Vonjy (AJAT, Toliara): 32'29''75
10 000m- Juniors/ Andriamifidy Tojonirina (3FB): 31'39''55
Longueur- Juniors/ Ramananjatovo Mariolla (COSPN, Antananarivo): 6m51
Triple saut- Cadets/ Faramandimby Dolin (COSRM 52, Sakaraha): 13m15
4x100m- Cadets/ AJAT Toliara (Fiaina, Iabotogno, Tiandraza, Florent): 43''13
4x400m- Juniors/ HTTA Antsiranana (Nambinisoa, Abdallah, Ambahery, Loïc): 3'38''05
Cahier Sports 

2975midi-mg-003465-5393-16062008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Ambohipo. Zandary iray naratra nandritry ny fisamborana olona. Nanatanteraka fisamborana olona teny Ambohipo ny zandary ny alakamisy teo. Olona voarohirohy amin'ilay raharaha famonoana zandary teny Ankatso ny 21may lasa teo. Olona 7 no voasambotra ary vehivavy ny roa. Nandritra izany fisamborana izany no nisy fifanjevoana ka naharatrana zandary iray.
 - Ihosy. Niharan-doza ny Depioté sy ny Senatera. Nifandona ny fiaran'ny depioté sy ny sénatera ary ny fiaran'ny sefo distrika, izay niaraka tao anaty cortège ny asabotsy lasa teo. Vokatry ny fijanonan'ilay fiara teo aloha tampoka no nahatonga izany. Ilay taxi-brousse tary am-pita indray no nahazo loza. Atao ahoana fa manam-pahefana ireto niharan-doza.
 - Fianarantsoa.  Magasinier  nanodina entana nosamborina. Nosamborin'ny zanadry ny alakamisy teo ilay  magasinier  nanodina simenitra 1000 lasaka, sy vy ary entana maro an'ny orinasa iray mpanao lalana. Miasa any amin'ny faritr'Irondro -Manakara iny ity orinasa ity.


2975midi-mg-003466-5394-16062008 Rakotra Analakely !
HAROM-PAOSY. Fotoana mahabe ny mpiantsena izao an-katoky ny fety izao. Manararaotra ny tontakely manao ny asa ratsiny.
Rakotra Analakely !
Tsy misy intsony ora tsy handrenesena olona voaharom-paosy etsy Analakely. Rakotra tanteraka ny tanana ary ny loza aza dia tsy ireo heverina ho tena sahirana fotsiny no manao fitadiavana amin'ity fomba ratsy ity fa dia misy olona mihaja izao. Ny mampimihomemy aza dia misy rangahy efa tena lehibe izao manao izany hatrany anaty bus. Asa! Mety ho noho ny fahatsapany angmba fa toa lasa mijery fotsiny ny manodidina.
Samy sahirana koa angamba, fa na dia izany aza dia tena tototra azy Analakely. Izany ery amin'ny Conforama ery izany moa dia tsy miafina akory ry zalahy fa miaraka misy ho enina izy ireo ary izay vehivavy mandeha irery no tena lasibatra voalohany. Tsy afa-bela koa anefa ireo lehilahy tsy mailo na somary kely endaka fa tonga dia amboariny eo. Tsy lavitra azy anefa na ny Polisy mitandro ny fifamoivoizana, na ireo sécurité izay tena betsaka amin'iny fairtra iny, saingy tsy misy mihetsika akory, hany ka mahatonga ny fisainana hamosavy hoe sao dia mba kopaka hisasahana kosa ary.
Endrika ratsy ho an'Antananarivo ny fisian'ireo tontakely ireo ka tokony heverina ny momba aza ireo. Mety tsy hanano-sarotra akory izany satria ny azo antoka dia endrika efa diso fantatry ny mpivarotra amoron-dalana ireo mpanendaka ireo.
Any amin'ny tany mandroso dia efa misy irony vidéo surveillance irony hitsirihina izay manao ratsy eny amin'ny toerana hiririhavan'ny mpandeha an- tongotra fa eto amintsika kosa mahagaga fa tsy misy mihetsika.
Dia ho sanatria ve ho tonga amin'ilay hoe tsy misy olona mahazo mandeha irery intsony eto Antananarivo. Asa aloha fa tany Soweto tamin'ny fotoana navaivay no nandrenesana toy izany.
Andry RAJAONA 
Lire aussi - Tapatapany 


2975midi-mg-003467-5395-16062008 Olona 4 namoy ny ainy
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Olona 4 namoy ny ainy
Olona telo maty teo noho eo, iray maty tany amin'ny hopitaly, olona efatra hafa naratra mafy. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Camp-Robin - Fianarantsoa (RN7), ny tolakandron'ny asabotsy teo, tokony ho tamin'ny 3 ora. Tsy tafiditra tao anaty fiolahana, vokatry ny fandehanana mafy loatra ilay fiara Mercedes Berline, ka nivoaka ny arabe. Potika tanteraka ny fiara, ary voa mafy avokoa ireo olona fito tao anatiny, izay nisy zazakely iray. Ny efatra tamin'ireo mpandeha namoy ny ainy, ny 3 teo noho eo, fa ny iray kosa tany amain'ny hopitaly tany Antsiraba. Ireo naratra sasany kosa mbola tsaboina any amin'ny hopitaly ao an-drenivohitr'i Vakinakaratra amin'izao fotoana izao.
Efa saika nahare izao loza izao avokoa ny fianakavian'ireo niharam-boina, misy ny razana efa tonga aty an-drenivohitra, misy kosa ny mbola andrasan'ny fonkonolona ao Camp-Robin. Re ihany koa fa nisy teratany vahiny tao anatin'io fiara niharan-doza io, saingy tsy mbola nahazoana fanampim-baovao ny mikasika an'izay. Efa eo am-panaovana famotorana amin'izao fotoana izao ny avy ao amin'ny zandarimariam-pirenena.



2975midi-mg-003468-5400-17062008 Miaramila mpiambina ny HCC tratra nanendaka olona
AMBOHIDAHY. Miseho amin'ny karazany maro samy hafa ny fomba hangalan'ny sasany ny zavatr'olona. Misy ny mampiasa ny fahefana kely eo aminy.
Miaramila mpiambina ny HCC tratra nanendaka olona
Tamin'ny alahady alina tokony ho tamin'ny 10 ora, nosakan'ireto miaramila roalahy manao iraka miamabina ny HCC ny olona telo nandalo teny amin'iny toerana iny. Nalain'izy ireo tamin'izany ny akanjo (blouson), ny vola ary telefonina tany amin'ireto mpandalo ireto. Tsy nipetraka fotsiny tamin'izao ireo very zavatra fa nandeha nitory tany amin'ny zandary teny Betongolo.
Omaly alatsinainy, nanao ny asany ireo mpitandro filaminana nanatona ny toerana hiasan'ireo miaramila. Rehefa hita fa marim-pototra ny zavatra nolazain'ireo olona voaendaka dia nentina avy hatrany tany amin'ny tobin'ny zandary izy roalahy hofotorana. Tamin'izany famotorana izany no nahalalana ny valitenin'izy ireo. Nilaza ry zalahy fa nisy izany manamboninahitra izany voendaka ka valifaty no ataony. Nitady ny mpanendaka izy roalahy tamin'io fotoana io ary ireo olona ireo no sendra azy. Rehefa nanontaniana anefa io manamboninahitra io dia nilaza mazava fa tsy nanome baiko na iza na iza izy.
Fanararaotana
Ny vaovao ihany no nahalalana fa tamin'izy ireo nampijanona ireo olona dia toa nilaza fa manao fisavana ry zalahy. Raha ny tena izy anefa, tsy manana alalana hanao izany fisavana izany ireto miaramila ireto. Miambina ny faritra ihany no anjarany. Mpiasa eny amin'ny Etat-Major izy ireo saingy voatendry hiasa eny Ambohidahy.
Tsy vao izao no nandrenesana mpitandro filaminana nanao ny zavatra tsy tokony hataony fa efa imbetsaka mihitsy. Samy tsy misy afaka amin'izany ireo sokajiny maro. Ireo mpandika lalàna izay tratra dia efa nandraisan'ny tomponandrikitra fepetra manokana. Misy ny voasazy ary misy ny voaraoka rehefa avy eo.
Amin'izao fotoana izao koa, efa tsy manaiky izany fihetsiky ny sasantsasany izany intsony ny olona ary sahy mitondra ny raharaha eny anivon'ny ambaratonga ambony rehetra. Fotoana tokoa izao ialana amin'ny fahazaran-dratsy nisy tany aloha tany.



2975midi-mg-003469-5401-17062008 Voatoraky ny raikeliny, tsy afaka nanao CEPE
Antsiranana
Voatoraky ny raikeliny, tsy afaka nanao CEPE
Zaza tokony ho 12 taona no voatoraka ny vadin'ny mamany (papa keliny) tamin'ny masony. Ankizivavy tokony hanao  CEPE omaly izy io. Tamin'ny fotoana handehanany any am-piangonana no nitrangan'izany. Vaky ny ambony masony rehetra ary tsy afaka nanao fanadinana izy omaly. Any amin'ny hopitaly CHRR izy amin'izao fotoana. Ny alahady io ihany dia tonga teny an-toerana ny mpikambana ao amin'ny tambazotra miaro ny zon'ankizy nijery ny zava-misy. Araka ny fanazavan'ity rangahy tokony ho 48 taona, izay nahavano-doza  ity dia noho ny fakana vola  ataon'ny renin'ilay zaza no nahatonga ny disadisa. Tsy nanao fanahy iniana  nikendry ilay zaza ihany koa izy fa Ilay ramatoa no nokendreny, araka ny filazany ihany.
 Efa any amin'ny polisy ity rangahy ity, hanaovana ny famotorana rehetra nanomboka ny alahady teo. Toraka vato in-3 no nataon'ity rangahy ity ka  ny iray fahatelony no nahavoa ilay zaza. Efa nanidy trano moa izy ireo nefa novahan'ity rangahy ihany izany. Ny fokonolona nanatrika teo no nijoro ho vavolombelona tamin'izany ary nahita ny zavatra nitranga rehetra. Niantso polisy ny olona tamin'ny 112 nefa tsy nahazo, natao koa tamin'ny telma nefa tsy nisy nandray. Aiza ho aiza tokoa isika raha misy antso vonjy toy izao ?.
Etsy andaniny ny ao amin'ny Hopitaly CHRR Diana, izay manarosarotra ny mpanao gazety ny hiditra ao na dia hamangy marary aza. Na dia teo aza ny fikarakarana nataon'ireo dokotera, mba hahafahan'ilay zaza hanao fanadinana dia tsy tafavoaka satria mivonto ny tarehiny rehetra. Very taona iray araka izany ity ankizivavy kely ity.
VJCL 


2975midi-mg-003470-5402-17062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Sambava, nofitahina dia naolana. Vehivavy iray no voafitaky ny rangahy lehibe 68 taona. tsy voafitaka fotsiny ihany fa voaolana ihany koa. Tany Ambodivoara any amin'ny faritr'i Sambava no nisy ity zavatra ity. Nalain'ilay lehilahy hitraingo vary ilay ramatoa. Lavidavitra ihany ny toerana haleha. Rehefa teny an-dalana anefa, avy hatrany dia novetavetainy. Rehefa vita ny nataony, lasa nandositra izy. Naka ny havany ilay vehivavy hiara-mijery aminy ilay toerana voalaza. Tsy nisy vary naniry akory anefa tao.
Mamy A.


2995midi-mg-003491-5423-17062008 Zaza 2 nofaohin'ny fiara
Amboanjobe
Zaza 2 nofaohin'ny fiara
Lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Amboanjobe, Atsimondrano, omaly tokony ho tamin'ny 11 ora antoandro. Zazakely roa niampita ny arabe no nofaohin'ny fiara. Maty tsy tra-drano ny iray, ny iray kosa naratra mafy. Raha iny hiampita ny arabe iny indrindra ireto zaza roa ireto no voafaokan'ilay fiara Toyota, izay toa tsy nahatazana azy ireo velively, raha araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso. Tampoka rahateo ny fiavian'ny loza ka tsy voatanan'ilay mpamily intsony ny fiara fa nifatratra tany amin'ireto zaza niampita. Mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao ilay zaza iray naratra. Ny vatana mangatsiakan'ilay namoy ny ainy kosa efa natolotra ny fianakaviany rehefa avy nanaovan'ny dokotera sy ny mpitandro filaminana fizahana. Efa misokatra ihany koa ny famotorana mikasika ity loza ity.



2995midi-mg-003492-5424-17062008 5 lahy nanafika ny Ben'ny tanàna lefitra
Soanierana
5 lahy nanafika ny Ben'ny tanàna lefitra
Fanafihana mitam-piadiana niseho tany Soanierana, Antsirabe II, ny alin'ny alahady teo tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany maraina. Dimy lahy mirongo basy no nanafika tanàna ka isan'ny lasibatra tamin'izany ny ben'ny tanàna lefitra. Trano maromaro no notafihin'ireto jiolahy mirongo basy ireto. Raha ny tao amin'ilay ben'ny tanàna lefitra dia nahazoan'izy ireo vola mitentina 1.400.000 Fmg miampy finday sy fitaovan-tokantrano maromaro. Rehefa avy nahazo tao ireo mpanafika dia tsy afa-po fa mbola niditra tamina trano hafa. Tao amin'ity tokantrano iray ity anefa dia zavatra hafa no niseho. Niezaka niantso vonjy ny tompo-trano ka avy ny fonkonolona nanampy. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotr'izy ireo ny roa tamin'ireo mpanafika. Mbola tratra teny amin'izy ireo ihany ny sasantsasany tamin'ireo fitaovana nangalarina, sy ireo fitaovam-piadiana.
Natolotra avy hatrany ny mpitandro filaminana ireto olon-dratsy ireto hatao famotorana. Mbola mitohy ihany koa anefa ny hazalambo ataon'ny fonkonolona any an-toerana amin'izao fotoana izao hikarohana ireo telolahy hafa tafatsoaka. Manahy mantsy ny mponina any an-toerana sao manao tapody fohy ireo mpanafika, ary ahina ihany koa amin'izay fotoana izay fa mety ho henjana ny valifaty hataony. Marihina fa tato ho ato dia ahenoana fanafihana mitam-piadiana matetika any amin'iny faritra Antsirabe II iny. Vao tsy ela kaory izany no nanafihan'ny jiolahy tokantrano iray ka nahaverezana volabe sy entana maro.



2995midi-mg-003493-5425-17062008 Mila fanampiana i Juliette
SOS
Mila fanampiana i Juliette
Marary efa ho telo volana izao i Juliette. Areti-nify no niatombohany anefa dia izao nivadika zavatra hafa izao. Mivonto be ny tarehiny ary difitra tanteraka ny masony. Mipetraka any Fenerive Est izy, kamboty ary tsy manan-kavana eto an-drenivohitra. Sahirana mafy i Juliette amin'izao fotoana izao ary mila fitsaboana maika. Tsy maharaka anefa ny hoenti-manana ka miantso vonjy amin'ny malala-tanana rehetra amin'izay fanampiana azo omena. Ao amin'ny HJRA, P.200 (service oncology), rihana faharoa no misy azy, na afaka miantso ny 032.45.938.02.


3021midi-mg-003520-5455-18062008 Saofera resin-tory nandona olona, maty ny iray
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Ny tsy fitandremana sy ny fahatokisan-tena be loatra indraindray no miteraka loza.
Saofera resin-tory nandona olona, maty ny iray
Omaly vao maraina be dia nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin'ny faritr'i Fenoarivo Atsimondrano. Vokatr'izany, olona iray no namoy ny ainy, iray hafa naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly.
Niala tamin'ny 2 ora maraina avy tany Tsiroanomandidy ho aty an-drenivohitra ny fiara mpitatitra iray. Rehefa teny amin'ny faritr'i Fenoarivo anefa, voan'ny torimaso fotsy ilay mpamily. Tsy voafehiny intsony ny familiana, nivoaka ny lalana ny fiara. Nisy olona maromaro anefa niandry fiara ho any Imerintsiatosika teo amin'ny sisiny teo. Roalahy nitana bisikileta no naratra mafy rehefa nofaohin'ilay taxi-brousse. Nentina haingana taty amin'ny HJRA izy ireo saingy tsy tana ny ain'ny iray tamin'izy ireo. Lehilahy eo amin'ny 32 taona eo ity maty ity. Ilay faharoa mbola miady amin'ny fahafatesana.
Nandositra
Tsy teo intsony moa ilay mpamily tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Nandrasana izay hiverenan'ilay saofera nefa tsy nipoitra mihitsy izy hatramin'ny 10 ora sy sasany.
Maro ny loza miseho mampidi-doza noho ny tsy fitandremana. Tsy vao sambany no nahenoana trangan-javatra sahala amin'ity teny Fenoarivo ity. Matoa voan'ny torimaso fotsy, ao dia ao ny harerahana sy ny tsy fahampian'ny torimaso. Lavidavitra ihany ny halavirana eo amin'i Tsiroanomandidy sy Antananarivo. Ny fiaingana tetsy andaniny mbola alina ihany koa. Hialana amin'ny loza dia tokony hisy mpamily roa mifandimby rehefa mandeha alina toy izao.



3022midi-mg-003522-5457-18062008 Nanafika  station Galana 
Dimy lahy mirongo basy
Nanafika  station Galana 
Notafihin'ny jiolahy mirongo basy ny  station Galana  tao Ampamakiambato Tolagnaro, afakomaly alina. Tokony ho tamin'ny 8 ora sy 15 min no tonga teo izy ireo raha nivoaka indrindra ireo roalahy avy tao anaty trano. Nitondra sakaosy kely ny iray tamin'izy ireo tamin'io fotoana io izay noheverin'ireo jiolahy fa sakaosy feno vola. Norahonan'izy ireo tamin'ny basy ary notereny hanome ny entana eny aminy izy roalahy. Lasan'ireo mpanafika tamin'izany ilay sakaosy izay nisy ordinateur portable, vola 1.500.000 Ia, finday ary firavaka volamena. Saika hanohitra ny iray tamin'ireo voatafika saingy nanao tifi-danitra ireo jiolahy. Niparitaka izy ireo avy eo. Tsy nisaron-tava ireto mpanafika ireto ary vehivavy ny iray tamin'izy ireo. Efa mandeha ny fikarohana azy ireo.



3022midi-mg-003523-5458-18062008 Tsy mpiambina ao amin'ny HCC
Fanampi-panazavana
Tsy mpiambina ao amin'ny HCC
Tsy mpiambina ao amin'ny HCC velively ireo miaramila roalahy notorian'ny olona satria nanendaka teny amin'ny faritra Ambohidahy. Ny fanampim-panazavana voaray no manamarina izany. Rehefa nitaraina tany amin'ny polisy tao amin'ny boriborintany faha-5 ireo voaendaka dia nandeha teny ny polisy nisambotra azy ireo. Araka ny fifanarahana misy eo amin'ny samy mpitandro filaminana anefa, tsy afaka mitazona azy ny eny Mahamasina. Nalefa tany amin'ny brigadin'ny zandary Tana ville izy roalahy. Tamin'ny famotorana natao azy izy ireo no nilaza fa mpiambina ao amin'io andrim-panjakana io ry zalahy. Ny tena marina, miaramila avy any Arivonimamo izy ireo ary nalefa miasa eny amin'ny Etat Major.


3022midi-mg-003524-5459-18062008 Novonoiny ho faty ny vadin'ny zaobaviny
Ambilobe
Novonoiny ho faty ny vadin'ny zaobaviny
Asa izay zavatra niseho tao an-dohan'ity lehilahy iray fa novonoiny ho faty ny vadin'ny zaobaviny. Tsy vitan'izany fa saika mbola ho vonoiny ihany koa io zaobaviny io. Tafatsoaka anefa ilay ramatoa. Rehefa tsy nahavoa an'io vehivavy io izy dia tapitra nopotehany ny entana tao amin'ny tranon'ireto mpivady ireto. Avy eo lasa nandositra izy ary mbola tsy hita hatramin'izao.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Andrafialava, kaominina Betsiaka Ambilobe, no niseho ity vonoan'olona ity, tamin'ny faha-15 mey lasa teo. Noho ny disadisa nisy teo amin'ny tokantranon'izy mivady voalaza ireto dia tapakevitra ny hisaraka izy ireo. Rehefa izany, lasa nandeha nipetraka tany amin'ny zokiny vavy izay manambady ilay ramatoa. Taty aoriana, nifampody indray izy ireo ary dia niara-nipetraka. Toa tsy nahafaly ilay rangahy vadin'ny zokiny anefa izany. Tezitra mafy tokoa ny anao lahy ka nandeha tany amin'ny tranon'ilay zaobaviny ary tamin'izany no namonoany an'ity rahalahany am-panambadiana ity.
Ho an'ny mpitazana, tsotra ny hevitr'izao famonoana izao. Ao ireo sahy nilaza fa tamin'ny fotoana nipetrahan'ilay zaobaviny tao aminy dia notsiriritiny halaina ho sakaizany io vehivavy io.
Mamy A. 


3036midi-mg-003539-5475-19062008 &quot;Misy mitady haka an-keriny ny carrière&quot;
LE QUARTZ. Taorian'ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Talen'ny orinasa, dia nitafa tamin'ny mpampahalala vaovao izy ireo omaly.
Misy mitady haka an-keriny ny carrière
Efa saika tsy hiteny an'ity ihany aho fa tsy maintsy holazaiko ny marina. Misy mitady haka an-keriny ny carrière-nay, izay no tena anton'izao rehetra izao, hoy Atoa Jeannot Andrianjafy (Jeannot Le quartz), omaly raha nitafa tamin'ny mpampahalala vaovao. Taorian'ny nisamborana sy nampidirana am-ponja an-dRtoa Madeleine Andrianjafy, Talen'ny orinasa, dia naneho ny heviny tamin'ny mpanao gazety ihany koa ny fianakaviana, omaly. Nanotrona azy ireo tamin'izany ny fianakaviamben'ny CONECS sy ny FEDMINES ary ny Misaina, fikambanana ivondronan'ireo mpandraharaha mpikirakira vatosoa.
Aminay dia tsy ara-drariny ny nisamborana ny reninay, satria ara-dalàna ny taratasy rehetra natao mikasika iny vato iny, ary tsy nampiasana hosoka velively, hoy Rtoa Patricia Andrianjafy, zanaka vavin-dRtoa Tale no sady mpitantana ara-bola ao amin'ny orinasa Le Quartz. Tsy emeraoda lafovidy akory iny fa vato fanao haingon-trano sy fampiranty. Manaporofo izany ny tatitra nataon'ny manam-pahaizana avy any La Réunion nanao ny fizahana ifotony iny vato iny. Ary tsara ho marihina fa karazan'ny Béryl ihany koa ny émeraude., hoy izy nanohy ny teniny.
Ranomaso
Raha tsy dia fahita matetika amin'ny valan-dresaka amin'ny mpanao gazety izany olona mitomany izany dia niseho izany omaly tetsy Manakambahiny. Latsaka mihitsy ny ranomason-dRtoa Patricia Andrianjafy omaly raha nitantara ny fomba nisamborana ny reniny teny Ivato sy ny nitondrana azy tany am-ponja.  Tsy nitondra na inona na inona hafa tsy ny fanafodiny izy ary nampanenoana anjombona toy ireny mitondra mpangalatra ireny. Ny sabotsy tamin'ny 12 ora sy sasany izy no nosamborina, ary efa tamin'ny 5 ora latsaka vao tonga ny didy fambisamborana nitazonana azy. Ary tany amin'ny Fitsarana ny alatsinainy vao fantany ny zavatra iampangana azy, izay zavatra tsy mitombina akory. , hoy ny tohin'ny fanazavany.
Ankoatra ireo fianakaviana nandray fitenenana dia nisy ihany koa ny mpandraharaha hafa niteny, izay samy nanamarika fa  tadiavina hovonoina ny mpandraharaha malagasy amin'izao fotoana izao. Efa ao anaty krizy tanteraka ny firenena ka ireo mba miezaka indray no vonoina.  Voaresaka nandritra ny valan-dresaka hatramin'ny raharahan'ny savonnerie tropicale aza moa.
Marihina fa amin'izao fotoana izao dia naato avokoa ny asa rehetra ataon'ny orinasa Le Quartz, na ny fitrandrahana vatosoa izany, na ny fanodinana sy ny fanondranana azy ireo. Nandefasana miaramila 25 ihany koa any Mananjary hiambina ny carrière.



3036midi-mg-003540-5476-19062008 Misy mangalatra ny ranon'ny JIRAMA
Antsiranana
Misy mangalatra ny ranon'ny JIRAMA
Tra-tehaky ny JIRAMA, ny alatsinainy teo, ny olona izay mangalatra rano amin'ny tatatra izay nitondra rano mankaty Diego. Trano vato vao natsangana izy ity ary any amin'ny fokontany Antanamitarana, kaominina Antafiamalama, no nahatratrarana izany. Avy amin'ny fantson-drano, izay mitondra rano mankaty Antsiranana, no novakian'ity tompon-trano ity ka nampidirany rano tao an-tranony. Araka ny voalaza, dia mipetraka any Frantsa ny tompon'ilay trano ary ny mpiambina ihany no hita teo. Tsy hanaiky izao toe-javatra izao ny orinasa JIRAMA, hoy ny Tale iraisam-paritra Atoa Armand, omaly, fa tsy maintsy hampiakatra ny raharaha any amin'ny Fitsarana, indrindra raha misy mpiasan'ny JIRAMA niray tsikombakomba tamin'izy ireo. Nambarany ihany koa fa rano mbola tsy azo antoka izy ireny satria tsy mbola nandalo fanadiovana teny amin'ny orinasa, ka tsy azo atao ny misotro sy mampiasa azy. Ny JIRAMA rahateo tsy mbola manao fampidirana rano sy jiro noho ny antony maro isan-karazany. Efa natolotra ny polisy ny raharaha mba hanaovany fanadihadihana lalina mialoha ny handehanany any amin'ny fampanoavana. Hentitra ny tenin'ny Talen'ny orinasa fa tsy maintsy hatao ny fanaraha-maso manomboka izao satria miharitra sy mihakely ny rano midina aty Antsiranana avy any Joffre Ville, izay misy ny barrage.
V.JCL 


3037midi-mg-003542-5478-19062008 Teratany Espaniola nisy nitifitra 
Antsiranana
Teratany Espaniola nisy nitifitra 
Espaniola iray no voatifitra teo amin'ny tanany raha avy any amin'ny Restaurant la Note Bleu, ny alatsinainy alina teo. Roa lahy izy ireo no tao anaty fiara ary samy Espaniola avokoa, ka ilay mpamily io voatifitra io. Taty amin'ny 500 metatra teo ho eo vao tsapany fa naratra izy. Tsy mbola fantatra ny olona nitifitra azy ary mbola mitohy ny fikarohana. Araka ny nambaran'ny dokotera nandray azy teny amin'ny hopitaly, dia tsara raha any La Réunion no hitsaboana azy. Tamin'ity volana ity dia efa misy roa na telo eo ho eo ny Espaniola maty, izao koa nisy ny voatifitra. Mampametra-panontaniana tokoa ny mikasika ireto vahiny ireto. Nahoana no iharan'ny herisetra ireo Espaniola? Eo am-pikarohana ny momba izany ny mpitandro filaminana eto an-toerana. 
V.JCL 


3037midi-mg-003543-5479-19062008 Sinoa iray naka ny lakilen'ny fiaran'olona
Analamahitsy
Sinoa iray naka ny lakilen'ny fiaran'olona
Tsy afaka nihetsika ny fiara fa nentin'ilay Sinoa ny lakile. Izany no zava-nitranga teny Analamahitsy, ny talata maraina teo. Tamin'iny lalana ho any Nanisana iny no nisehoan'izany. Nijanona amoron-dalana ny fiaran'ity Sinoa ity. Fiara iray izay niala bisikileta no nandona ny retroviseur'n'ny fiaran'ilay Sinoa. Nijanona ilay mpamily, nivoaka ny fiara koa ilay Sinoa. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nalain'ilay vahiny ny lakilen'ilay fiara nandona. Novelominy ny fiarany dia lasa izy nandeha. Tsy afa-nihetsika teo afovoan-dalana ilay nandona satria nihidy ny familiana. Afaka fotoana ela vao nobataina teny amin'ny sisiny. Teo anelanelan'izany, nandeha nitady ilay Sinoa tany Behoririka ilay mpamily. Araka ny filazany, dia niteny tamin'io mpamily io ilay vahiny nanao hoe io ilay retroviseur ka raha te hahazo ny lakile ianao dia mitondrà vola 2 tapitrisa, na ataovy dika mitovy ny permis sy ny carte grise dia omeo ahy. Ny talata hariva dia mbola teo amin'ny toerana nasiana azy ilay fiara.



3037midi-mg-003544-5480-19062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ambohitrimanjaka, faty tao anaty rano. Fatin-dehilahy iray miboridana no hitan'ny olona tao anaty dobo, omaly. Mponina eny amin'iny faritra iny ihany izy io. Efa ho efatra andro no tsy nahitana azy teo an-tanàna. Tsy dia salama saina loatra ity olona ity.
 - Andakana, vola sandoka 10 000 Ar. Roa mirahavavy no tratra nividy vary tamina vola sandoka, ny talata lasa teo. Nampandre ny zandary ny sefom-pokontany.



3037midi-mg-003545-5481-19062008 Voadaroka ireo zandary nisambotra
AMBOHIPO. Mihamahazo lanja ity raharaha ity raha noheverina ho trangam-piaharamonina efa tsy mahataitra firy intsony tany am-boalohany...
Voadaroka ireo zandary nisambotra
Roa naiditra vonjimaika etsy Antanimora, roa nahazo fahafahana vonjimaika ary roa hafa nahazo didy fampisamborana. Io no valin'ny fanolorana teo anivon'ny Fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana zandary, ny alin'ny 21 mey lasa teo, tetsy Ambohipo. Tsy nijanona teo ny raharaha. Rehefa handeha hisambotra ireo heverina ho nahavanon-doza ireo zandary mpanao famotorana dia voadaroka. Mbola mitsabo tena aza hatramin'izao ilay iray, izay raha araka ny vaovao azo dia vaky ny lohany noho ny vely tavoahangy nihatra taminy.
Heloka bevava
Ny nahagaga dia nitory ihany koa ny fianakavian'ireo voarohirohy. Ny anton'ny fitoriana dia noho izy ireo nilaza koa fa niharan'ny vono sy ratra niniana nandritra ny fisamborana azy ireo. Niakatra tetsy Anosy avokoa izany rehetra izany ary tsikartra fa mihafana ny raharaha. Raha noheverina ho trangam-piarahamonina efa mahazatra ihany izany tamin'ny voalohany ka tsy dia nanintona firy ny mpanara-baovao, ankehitriny kosa dia lasa mahazo lanja ny zava-nitranga. Ary tena ifotoran'ny zandary misahana ny heloka bevava mihitsy aza amin'izao fotoana izao. Ny antony, mazava loatra, dia noho ny fahafatesan'ny zandary mitovy amin'izy ireo.
Voatsindrona antsy
Teo ihany koa anefa ny faharatran'ny zandary hafa, mbola ao anatin'ny raharaha mitovy ihany. Raha araka ny vaovao azo tetsy Anosy dia amin'ny 11 jolay hoavy izao no hiakatra eo anivon'ny mpitsara mpanao famotorana indray ny raharaha. Mandra-piandry izany dia mbola mitohy ny fikarohana ireo serveurs roa tao amin'ilay toeram-pisotroana. Hatreto mantsy dia ireo no voalaza fa tena nively tavoahangy sy nanindrona antsy ilay mpitandro filaminana.
D.R 
Lire aussi - Antsiranana : Misy mangalatra ny ranon'ny JIRAMA - Rectificatif - Antsiranana : Teratany Espaniola nisy nitifitra - Analamahitsy : Sinoa iray naka ny lakilen'ny fiaran'olona - Tapatapany 


3062midi-mg-003571-5515-20062008 Telolahy amim-basy nanafika, matin'ny olona ny iray
AMBOHIJAFY
Telolahy amim-basy nanafika, matin'ny olona ny iray
Fanafihan-jiolahy niseho omaly tokony ho tamin'ny 3 ora maraina, tao Ambohijafy -Ampahimanga , kaominina Arivonimamo. Tokantrano iray notafihina jiolahy telo mitondra poleta. Lasan'ireo jiolahy ny vola 2.500.000 Ia. Niantso vonjy ny tompon-trano ka avy ny fokonolona nanampy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratran'ny olona ny iray. Samy nanala ny fony teo ny rehetra ka tapitra ny ain'ilay jiolahy.
Niditra an-keriny tao amin'ity tokantrano ity ireto telolahy mpanafika ireto. Nopoiriny ny varavarana ary rehefa tafiditra izy dia nambanany basy ny tompon-trano ary notereny hanome izay vola rehetra misy. Nanana 2.500.000 Ia izy ireo tao ka voatery nomena ireto mpanafika.
Matin'ny olona
Namaly ihany anefa rangahy tompon-trano no sady niantso vonjy, ka tonga ny fonkonolona nanome tanana. Vao nahare ny fiavin'ireo anefa ireto mpangalatra dia nirifatra nandositra. Raikitra teo tamin'izay ny fifanenjehana ka tafatsoaka ny roalahy, fa ny iray kosa voasambotra. Tsy namelan'ny fokonolona fa dia matin'ny daroka teo ilay tovolahy ka tapitra ny ainy.
Tsy nahitana taratasy nahafantarana azy teny aminy ary tsy misy mahafantatra azy ny olona ao an-tanàna. Nalefa ao amin'ny tranom-patin'ny CSB II ao Ampahimanga aloha ny razana mandra-pahavitan'ny fizahana ataon'ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Mbola mitohy kosa ny fikarohan'ny zandary ireo roalahy tafatsoaka miaraka amin'ny basy. Izay tsara homarihina fa basy poleta vita gasy.



3062midi-mg-003572-5516-20062008 Maty novonoin'ireo mpanafika
TAKALON'AINA
Maty novonoin'ireo mpanafika
Omby 500 no indray lasan'ny dahalo nandritra ny fanafihana niseho tany Ambomaro, Marohazo - Maintirano, ny 15 jona lasa teo, tokony ho tamin'ny 5 ora hariva. Ankoatra ny omby very dia mbola naka takalon'aina roa ihany koa ireo dahalo am-polony nirongo basy nanafika. Ka ny iray tamin'ireo olona nalaina dia ny tompon'omby, izay maty novonoin'ireo dahalo niaraka tamin'ny omby folo. Nanao fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona ka nahitam-bokany izany. Omby 370 amin'ireo very no efa tafaverina amin'izao fotoana izao. Mbola manohy ny fikarohana hatramin'izao ny zandary sy ny fokonolona satria mbola an-jatony ireo omby tsy hita ary mbola misy takalon'aina iray koa any am-pelatanan'ireo mpanafika.



3083midi-mg-003594-5539-21062008 Tournées régionales dans le Nord
Marc Ravalomanana
Tournées régionales dans le Nord
Le Président de la République, Marc Ravalomanana, après avoir été à Toliara, Morondava, et Mahajanga, dernièrement, poursuit ses tournées régionales. Après le Sud, il a rallié l'Ouest et le Nord du pays. Ainsi, il a été à Mahajanga avec le Ministre des Réformes foncières, des Domaines et de l'Aménagement du Territoire, Marius Ratolojanahary, pour une séance de travail au bureau de la Présidence. Puis, le Chef de l'Etat s'est rendu à Antsiranana où une autre séance de travail avec les responsables régionaux s'est déroulée au siège de la Région Diana. Aussi bien à Mahajanga qu'à Antsiranana, il a été surtout question de sécurité et de développement régional. Vers la fin de l'après-midi, le Chef de l'Etat a mis le cap sur Nosy Be, où il s'est félicité de l'achèvement des travaux de réhabilitation de la route, au centre ville. La Commune de Nosy Be s'est également vue attribuer une subvention pour la réhabilitation du marché.
  - Recueillis par Dominique R. 
Politique 

3088midi-mg-003600-5545-21062008 Zaza  siamois  teraka tany Amboasary Sud sy Moramanga
Hafakely
Zaza  siamois  teraka tany Amboasary Sud sy Moramanga
Maro tokoa ny olona liana tamin'ny fandrenesana vaovao nilaza fahaterahana zaza  siamois  tany Amboasary Sud sy tany Moramanga. Tsy mbola nandrenesana izany mihitsy teto amintsika fotoana ela dia ela izay. Ny zaza siamois dia kambana saingy mitambatra ho iray ihany ny vatany, ohatra.
Tamin'ny faha-19 jona teo no teraka tany Amboasary Sud ny siamois roalahy. Salama tsara tokoa ireto zaza ireto. Torak'izany koa ny reniny. Eo amin'ny kibony no mitambatra izy ireo. Ny taova hafa kosa anefa samy mahaleo tena. Roa ny loha, samy manana ny tongony, samy manana ny tanany. Raha vao latsaka teto an-tany ireto zaza dia nanao antso avo ny fianakaviany mba hanampiana azy ireo. Sahirana ara-pivelomana izy ireo. Maro ny olona efa namaly izany ka hatramin'izao dia vola Ar. 207 700 no efa voangona. Efa nalefa any Ambovombe Androy izy roalahy kely. Ankoatra ireo mponina nifanome tanana, dia namaly ny antso ihany koa ny Vokovoko Mena.
Ankoatr'izany, tany Moramanga, tamin'ny faha 18 jona, tamin'ny 10 ora alina, dia ramatoa niteraka vavy kely kambana ihany koa. Mitambatra koa izy roa ireo. Tadim-poitra iray ihany no namatotra azy tamin'ny reniny. Tsy azo anefa izy ireo fa maty. Ny reniny kosa tsy naninona.
Tao anatin'ny andro roa izany no nahitana ity fahaterahana ity teto amintsika. Araka ny efa voalaza, tsy dia mba andrenesana izany aty amintsika. Amin'ny fahita lavitra no ahitana matetika ny tantaran'ireny siamois ireny. Tsy zava-baovao amin'ny vazaha izany. Misy amin'izy ireny no nosarahana tamin'ny alalan'ny fandidiana ary dia samy velona soa aman-tsara.



3088midi-mg-003601-5546-21062008 Vazaha iray voasambotra teny Analakely
Afera Artane
Vazaha iray voasambotra teny Analakely
Teratany vahiny iray no nosamborin'ny polisy teny Analakely, ny alakamisy teo. Voarohirohy tamin'ny resaka fandefasana Artane any La Réunion ity vazaha ity. Nandà izany fiampangana azy izany hatrany anefa izy ary nilaza fa tsy azy ireo tableaux ireo fa an'olona nampitondraina azy. Tsy fantany, araka izany, ny fisian'ny zava-mahadomelina tao anatiny. Izany Geordo Ismaël Erving izany no anarany. Mpanao aferana telefaonina no anton'asany. Anio izy no hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana.
Nametraka fitoriana tao amin'ny Services Centrales des Stupéfiants et des Substances psychotropes ny vehivavy malagasy iray. Anisan'ny voasambotra tamin'ity raharaha ity mantsy ny vadiny izay mipetraka any La Réunion. Tonga teny Ivato izy tamin'ny faha12 jona teo nitady olona hampitondraina entana ho an'ny vadiny. Nifanena tamin'ilay vazaha voatonona etsy ambony io izy tamin'izay. Ity farany ity koa, niangavy mpandeha iray, vazaha, hitondra entana (tableaux) ho an'olona any La Réunion. Dia io mpandeha io ihany koa no nampitondraina ny colis. Voalaza fa firavaka no tao anatiny.
Rehefa tonga tany amin'ny seranam-piaramanidina tany La Réunion dia nolazain'ilay ramatoa fa samy nanatona ilay nampitondraina entana ny vadiny sy teratany Karana iray tompon'ny tableaux. Tamin'io fotoana io no nisamboran'ny polisy azy telo lahy, ilay vazaha nitondra ny entana, ilay Malagasy nitsena ny colis sy ilay Karana. Tamin'ny fisavana natao no nahalalana fa fonosana Artane marobe no nafenina tao anatin'ireo tableaux ireo.



3089midi-mg-003603-5551-23062008 Vehivavy malemy nefa mirifatra entin'ny tromba
HERY HAFAHAFA. Misy tokoa ny hery miafina izay tsy hay hazavaina mihitsy indraindray. Mahavariana ny nahazo ity vehivavy 27 taona.
Vehivavy malemy nefa mirifatra entin'ny tromba
Nanomboka  tamin'ny fahasivy taonany ity tovovavy iray, antsoina hoe Veronique, izay mipetraka any amin'ny tanànan'i Manantenina Kaominina ambanivohitra Maroambihy Distrikan'i Sambava, no tsy niteny ary tsy afaka nitsangana. Matetika ihany koa izy no manao krizy, izay nandritran'ny 18 taona be izao. Fangirifiriana sy ny mangidy hatrany no nandrakotra ny fiainany nandritra ny taona maro, ary dia mirifatra entin-javatra any am-pasana aza indraindray, na tany anaty ala mandritra ny andro vitsivitsy. Tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ny ray aman-dreniny moa no nahalalana fa dia efa lany aiky izy ireo tamin'ny fitsaboana natao tamin'ity zanany ity, na tamin'ny alalan'ny fivavahana na koa ny fanaovana ireny ody gasy ireny.
Mahagaga
 Nandalo tany an-toerana moa ny fikambanana, Teny Marina Mahatsara Fiainana, miaraka amin'ny Maitre Crescent Jean-Pierre, izay nampiseho ny fahaizany tamin'ity vehivavy marary ity. Tamin'ny fanadihadiana nataonay moa no nilazan'ireo vavolombelona nanatrika, ny fanasitranana izay nataon'ny Maitre, fa dia fomba tsotra no nataony, izay tamin'ny alalan'ny herin-tsainy, sy ny rano mangatsiaka, dia nampiteny sy nampitsangana ilay vehivavy. Nampitolagaga ireo nanatrika tokoa ity fanasitranana hafa kely ity, ka dia nampametram-panontaniana ny maro hoe, fanasitranana mety haharitra ve izy ity sa mandalo ihany. Ho hita miandalana eny moa ny tena fiovana amin'ity vao nositranina ity, satria vao ny Alakamisy lasa teo no natao io fitsaboana io.
Mamy Augustin. 


3089midi-mg-003604-5552-23062008 Saron'ny polisy teo am-pizarana vola ireo mpanendaka
Andavamamba
Saron'ny polisy teo am-pizarana vola ireo mpanendaka
Polisy nanao fisafoana tamin'iny faritra Andavamaba iny no nahasarona olona efatra nizara vola tanaty sakaosy, tamin'ny sabotsy lasa teo tamin'ny 6 ora hariva tany ho any. Avy hatrany dia nanatona ireo mpitandro filaminana. Raha vao nahita izany ry zalahy dia niezaka nandositra. Tafaporitsaka ny telo fa tratra kosa ny iray. Tamin'izany no nahalalana fa ny zoma ireto andian-jiolahy ireto no nanendaka teny Isotry. Tamin'izany angamba no nahazoany ireo vola tao anaty sakaosy ireto.
Tsy mijanona mihitsy ny asan-jiolahy isan-karazany eto an-drenivohitra. Miaraka amin'izany koa ny fahatratrarana mpivarotra rongony. Araka ny fantatra, mifandray hatrany ny fidorohana zavamahadomelina sy ny fandrobana. Ireo tsena malaza rehetra dia handrenesana harom-paosy sy sinto-mahery saika isan'andro. Ireo mpividy entana mpaka maro avy any amin'ny faritany no tena lasibatra amin'izany. Toa tsy mihafihafy mihitsy ry zalahy mamely ary mandrahona mihitsy  koa aza. Tsy mandeha an-tanam-polo izy ireo fa miaraka amin'ny basy. Rahonany amin'izany izay kendreny. Tsy afaka mamaly fa manome mora foana.
Tsy ny mpividy entana ihany anefa no mahita faisana fa ao koa ny mpandeha tsotra sy ny mpamily fiara, indrindra fa ireo hivoaka maraina hamonjy asa. Maro ireo voaendaka, very volamena.



3089midi-mg-003605-5553-23062008 Noraisim-potsiny ilay polisim-pokontany  Maty nilatsahan'ny voanio
Sambava
Noraisim-potsiny ilay polisim-pokontany
Tovolahy roa tsy ampy taona no tratran'ny fokonolona nangalatra ganagana tao Besopaka, kaominina ambonivohitr'i Sambava. Mpirahalahy izy ireto, ny zokiny sivy taona ary ny zandriny valo taona. Rehefa nohadihadiana izy ireto dia nanambara fa misy olona efa mpividy ny entana halatra azony. Nisy moa ny olona izay voatonona tamin'izany ka dia nantsoin'ny tomponandraikitra tao amin'ny fokontany Antanifotsy faharoa. Ireo voalaza fa mpividy kosa dia nangataka ny hamerenana ny volany.
Tsy nandefitra
Tsy nanaiky hanao raharaham-pihavanana ireo tompon'ny vorona, ka nitondra ny raharaha tany amin'ny mpitandro filaminana. Ny polisim-pokontany no nanatitra ireto ankizy ireto tany amin'ny polisy. Talanjona ny olona fa dia voatazona niaraka tamin'ireo ankizy ihany koa ity polisim-pokontany ity. Tsilian-tsofina no nahenoana fa efa nisy raharaha niandry azy tao. Tamin'ny alarobia teo no nisehoan'izany teto Sambava.
Andapa
Maty nilatsahan'ny voanio
Nihevitra ny hiala sasatra teo ambany voanio ity raim-pianakaviana iray tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Morafeno kaominina ambanivohitra Anjialavabe, ao anatin'ny distrikan'Andapa. Manana toerana malalaka, azo itsangatsanganana izy, ka mba niaraka tamin'ny vadiny faharoa. Tampoka teo raha iny natoritory iny izy no nilatsahan'ny voanio efa maina teo amin'ny tratrany. Ilay vadiny faharoa tamin'io fotoana io somary nisintaka kely. Izy efa nikiaka vao henony, taitra avy hatrany izy raha vao nahita ny nahazo ny vadiny. Niantso olona haingana, nitondra azy tany amin'ny mpitsabo, kanefa dia tsy tana ny ainy. Ny tena vadiben'ilay rangahy dia nilaza ny hitory ity rafivaviny. Tamin'ny  alahady lasa teo moa no nisehoan'izany tany an-toerana.
Mamy Augustin. - Mamy Augustin. 


3089midi-mg-003606-5554-23062008  Receveur -na paositra voatifitra, lasa ny 70 tapitrisa Ar.
Asan-jioalahy
 Receveur -na paositra voatifitra, lasa ny 70 tapitrisa Ar.
Tamin'ny zoma lasa teo, tsy dia lavitra loatra ny tananan'Antsohihy, voatifitra ny  receveur -na paositra avy naka vola tao amin'io tanana io. Naratra mafy tokoa izy ary mbola tsaboina any amin'ny hopitaly. Very tamin'izany ny vola 70 tapitrisa Ar.
Naka vola tao Antsohihy ity olona ity. Polisy iray no niaraka taminy tamin'izany. Taxi-brousse no nandehanany. Ho any Bealalana ny dia. Raha vao niala kely teo amin'ny 20 km eo anefa ilay fiara, nisy mpandeha iray niteny raha mba afaka manao recreation kely. Nijanona tsy nihambahamba ny mpamily. Raha vao tafavoaka ny fiara anefa ity olona ity, nalainy ny basy tany ambalahany tany. Nankeo amin'ny toerana nisy ilay receveur izy ary nitifitra avy hatrany. Naratra io farany io. Tsy nisy sahy nihetsika kosa ireo mpandeha, hatramin'ilay polisy niaraka tamin'ilay voatafika. Lasan'ilay mpandroba mora foana ny volabe. Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe haka vola ohatra an'izany ve ka tsy tokony hanana mpiambina na mpanaraka roa fara fahakeliny? Toy  izany mantsy no fanao rehefa manatitra na maka vola.
Raha vao nahare ny vaovao ny lehiben'ny faritra dia namory ireo tomponandraikitra rehetra ary nanome baiko henjana. Tsy mety mijanona mihitsy mantsy ny fanafihan'ny jiolahy mpandeha amin'ny taxi-brousse. Saika manerana ny lalana be mpampiasa rehetra na mianatsimo izany na mianavaratra.
Mandeha ny famotorana mikasika ity fandrobana tany Antsohihy ity. Tazonina hanaovana fanadifadiana ilay mpamily.



3089midi-mg-003607-5555-23062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Tanjombato, miaramila mpivarotra rongony. Fonosana rongony miisa 702 sy rongony tanaty sakaosy milanja eo amin'ny 5 kilao eo no tratra tao an-tranona miaramila iray teny Tanjombato tamin'iny herinandro iny. Ankoatra izany, nisy vola 125 000 ariary koa hita tao an-tranony tamin'ny fisavana, vola mdinika 200 sy 100 ariary. Efa fotorana any amin'ny mpitandro filaminana miady amin'ny fihanahan'ny zava mahadomelina izy izao. Marihina, araka ny vaovao, efa nigadra ny vadin'ity miaramila ity noho ny fivarotana rongony.
- Antanimena, maty tsy tra-drano. Olona iray no maty tsy tra-drano tetsy Antanimena tamin'ny sabotsy teo vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Avy niala taxi-be ity olona ity no voadonan'ny kamiao. Efa somary maizina ihany tamin'izay satria efa tamin'ny 6 ora sy sasany. Nitangorona ny olona.
 - Antsirabe, vehivavy iray namoy ny ainy. Nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambalavato amin'ny lalana ho any Soanindrariny, omaly hariva. Vehivavy iray no maty tsy tra-drano rehefa notetezin'ny kamiao. Potika tanteraka ny ilany havia. Araka ny vaovao, dia niaraka tamin'ny vadiny ity ramatoa ity. Toa hoe nanakana an'io fiara io izy handehanan'izy ireo mody nefa dia izao izy voahosy izao.
r.s./Lova 


3089midi-mg-003608-5556-23062008 Mpamily iray naiditra am-ponja
Faniratsirana. Misy tokoa ny lalàna tokony hampiaharina eo amin'ny fifamoivoizana. Mihenjana ny mpitandro filaminana
Mpamily iray naiditra am-ponja
Tena henjana tokoa ny mpitandro filaminana amin'ny fanenjehana sy famaizana ireo mpitondra fiara mpitatitra tsy manaja ny mpandeha, sy tsy manaja ireo mpitandro filaminana manao ny asany. Mikasika ity toe-javatra farany ity, mpamily iray no fantatra fa notanana am-ponja vonjimaika tamin'ny herinandro lasa iny, miandry ny fitsarana azy. Ny antony, araka ny voalaza, dia noho izy efa mpaniratsira mpitandro filaminana.
Tamin'ny fiandohan'ny herinandro iny ihany, hetsika lehibe no notontosain'ny mpitandro filaminana niaraka tamin'ireo tomponanandrikitra isan-tokony teny amin'ny distrikan'Ambohidratrimo. Vokatr'izany, fiara 21 no notazonina fourrière.
Fitarainana
Maro ny fitarainan'ny mpandeha amin'ny afitsok'ireo mpitatitra. Ohatra iray tena mibaribary nentin'ny tomponandraikitra iray nanazava izany ny fihodinana eny an-dalana. Fiara iray fantatra fa ho any Ivato no mampiakatra olona tetsy Antanimena, hoy ity tomponandraikitra ity. Milaza anefa ilay izy fa eo amin'ny toerana iray ihany fa tsy mandeha any Ivato. Dia mijanona eo Andranomena. Miala avokoa ny mpandeha rehetra hiandry fiara hafa. Lasa mandeha mody mihodina any ambadika any ilay fiara avy nanala olona dia miverina eo amin'ny toerana indray ary nampiakatra olona ho any Ivato ihany. Izany hoe, araka ny fanazavana azo, mandoa saran-dalana hatrany amin'ny 800 ariary ny mpandeha iray vao tonga any Ivato. Mandoa 400 ariary in-droa.
Vokatry ny fitarainan'ny olona, araka ny efa voasotra ery ambony no nahatonga ilay hetsika. Tsy voahaja intsony mantsy, hoy ilay mpanome vaovao, ny cahier des charges fa toa manao izay tiany hatao ny sasantsasany. Soa ihany aloha fa tsy izy rehetra, hoy ihany ny fanazavana.
Tsy hijanona eo ny fanaraha-maso fa mitohy hatrany.

Lire aussi - Andavamamba : Saron'ny polisy teo am-pizarana vola ireo mpanendaka - Sambava : Noraisim-potsiny ilay polisim-pokontany - Asan-jioalahy :  Receveur -na paositra voatifitra, lasa ny 70 tapitrisa Ar. - Tapatapany 


3111midi-mg-003631-5580-23062008 Yu devant, Jaytaxx, 2è
RUN
Yu devant, Jaytaxx, 2è
Sur les 27 voitures qui ont pris le départ du run comptant pour la seconde manche du sommet national, Yu et sa Ford Escort n°16 a fait la différence. Il est talonné de près par Jaytaxx, sur une BMW n°1. Le tenant de la 1ère manche est ainsi juste devant le tenant du titre national. Malgré la brume et la pluie, ce fut la fête dimanche sur la piste d'Arivonimamo.
Anny A. 
Cahier Sports 

3112midi-mg-003633-5583-24062008 Ankizy vavy maty nihinana &quot;sardine&quot; efa simba
SAKAFO SIMBA. Lalina mihitsy ny fahantrana amin'izao fotoana izao. Harapaky ny olona avokoa izay zavatra hitany fa azo hanina. Mampidi-doza anefa
Ankizy vavy maty nihinana sardine efa simba
Ankizy vavy kely iray 13 taona no maty vokatry ny fihinanana sardine efa simba teny Ambohitrarahaba. Nisy namany iray koa niaraka nihinanana taminy saingy avotra soa aman-tsara.
Tamin'ny faran'ny herinandro no niseho ity zavatra mampalahelo ity. Avy amin'ny fianakaviana tena sahirana ity ankizy vavy namoy ny ainy ity. Tamin'ny andro nihinanany ilay trondro efa simba, nirahan'ny rainy hitsipona saribao tao amin'ny toerana iray fanarian'ny olona fako izy. Tsy fanariam-pako napetraky ny kaominina akory  io. Rehefa nikaroka tao ireo ankizy dia nahita io sardine io. Toa tsy nihambahamba akory izy ireo nizara ilay zavatra ary nihinana avy eo. Ankevitry ny tsy tonga tao anatin'ny sainy mihitsy fa matoa efa ariana dia tokony ho tsy azo hanina intsony.
Tamin'ny fizarana natao anefa, kelikely kokoa ny tondro nomen'ilay nahita io namany io. Afaka fotoana elaela, narary izy roa ireo. Samy nandoa, hoy ny vaovao. Mailo ny ray aman-drenin'ilay nihinana kely ka nanome azy atody sy nitondra azy tany amin'ny dokotera avy eo. Ilay namoy ny ainy koa nentina tany amin'ny mpitsabo. Io farany io no nandefa azy ho any amin'ny hopitaly haingana. Efa latsaka anaty anefa ny poizina ka dia tsy tana ny ainy.
Mahita sakafo
Tsy vao izao, araka ny filazan'ny ray aman dreny eo an-tanana no nihinana zavatra hitany any amin'ilay toerana ny ankizy. Matetika izy ireo no manana bonbon, mofo na zavatra hafa, hatramin'ny savony izay entiny mody. Tamin'ity indray mandeha ity anefa, sendra ny zavatra efa nivadika ho poizina izy ireo ka izao niafara tamin'ny fahafatesana izao. Ny ankizy amin'ny maha zaza azy, raha vao mahita zavatra tonga dia mandrapaka. Araka ny efa voalaza, avy amina fianakaviana sahirana ireto ankizy ireto.
Amin'izao fotoana izao, tsy ireo lazaina fa 4'mi ireny ihany no hita eny amin'ny toerana fanariana fako fa misy hafa ihany koa. Tena latsaka lalina tokoa ny fahantrana.



3112midi-mg-003634-5584-24062008 VAOVAO TAPATAPANY
VAOVAO TAPATAPANY
 - Ambohidratrimo. Fahitana fatin-jaza. Teny Imerinafovoany - Talatamaty, ny 22 jona tamin'ny 3 ora tolakandro. Zazakely vao teraka mbola miaraka amin'ny tadim-poitra sy ahitra teny amoron-dalana. Rehefa nozahana dia hita fa nokendaina io razana kely io. Ny zandary sy dokotera no nidina teny an-toerana nanao fizahana. Ny zandary ao Talatamaty no misahana ny famotorana.
 - Ambohimangakely. Fanafihana mitam-piadiana. Ny 23 jona tamin'ny 3 ora maraina, niditra an-keriny tao an-trano ny jiolahy telo mitondra sabatra. Nitaky vola ireo jiolahy saingy tsy nanana ny tompon-rano ka novetavetain'izy ireo. Lasan'izy ireo ihany koa ny TV couleur iray - Lecteur DVD - Radio K7 - Baffles roa - Téléphone portable 1 ary lelavola 5.000 ar.  Ny zandary ao Ambohimahitsy no misahana ny famotorana.
 - Ambohidratrimo. Fanodinkodinana fananan'olona, relijiozy 4 ahiahiana. Ny 18 jona lasa teo, tamin'ny 2 ora tolakandro, teny amin'ny lalana mampitohy an'i Tanjombato-Ambohimanarivo. Entana nampitondraina ny relijiozy (Moto - bisikileta vaovao - fanitso 3m miisa 35 - biriky 200 isa - ciment 10 lasaka -  ovy iray kitapo - vorontsiloza dimy -karaoty 1 sobika - kidoro eponge iray - ary lelavola 1.600.000Ar), no tsy hita niaraka tamin'ny kamiao. Mbola karohina izy ireo amin'izao fotoana izao.  Ahiana ho misy firaisana tsikombakomba amin'izao raharaha izao.
 - Arivonimamo - Lozam-pifamoivoizana. Loza niseho ny 21 jona tamin'ny 5 ora maraina, tao Antsorokahitra, Fkt Senamasoandro - Imerintsiatosika . Nivadika ny fiara Istana vokatry ny fahasimban'ny direction, sy fahavakisan'ny kodiarana. Olona efatra no naratra ary nalefa notsaboina tao CSB II Imerintsiatosika, avy eo nafindra tany amian'ny HJRA. 
 - Maevatanana. Fanondranana biby voaaro (tanalahy).  Tratra tao anatin'ny baoritra iray ny tanalahy miisa 95, mbola  velona, tsy misy taratasy fahazoan-dalana, avy any Ambanja. Ny 16 jona no naverina any amin'ny sampandraharan'ny rano sy ala any amin'ny faritra Andramy ireo tanalahy 55 sisa velona.
 - Amparafaravola - Nirehitra ny ozinina fitotoam-bary. Haintrano niseho ny 20 jona tamin'ny 4 ora maraina. Mbola tsy fantatra ny fiavian'ny afo fa  tapitra kilan'ny afo ny vary akotry 07 Taonina - vary fotsy 17 Taonina  - moto iray - groupe éléctrogène iray  - moteur iray ary  - antontan-taratasy samihafa.
Nangonin'i r.s/Didi R/Aina R. 


3112midi-mg-003635-5585-24062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Antsirabe, vazaha voaendaka. Tamin'ny alahady teo, vazaha telo mianadahy no nisy nanendaka teny akaikin'ny vélodrome. Avy nijery ny fampisehoana nataon'i Rossy izy ireo. Lasan'ireo mpanendaka avokoa ny vola, ny taratasy samy hafa ary ny fitafiana; Zara raha niakanjo sisa izy ireo. Ny tena nampaahelo ireto vahiny ireto dia maro ny olona nahita izany fanendahana izany nefa nitazam-potsiny.
 - Ankizy tsy hita efa ho telo andro. Tamin'ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 1 ora, nirahina nijery akoho ny ankizilahy iray 13 taona. Hatramin'izao anefa, tsy mbola niverina nody any an-tranony izy. Ilay akoho anefa hita teo an-tokontany. Teny Ambohimena Atsimo no nisy izao fanjavonana izao. Salama saina tsara ity zazalahy ity. Voalaza anefa fa bebe tsy miteny izay izy.
 - Zaza novonoina tamin'ny fomba feno habibiana. Tamin'ny fomba feno habibiana tokoa ny namonoan'ny sasany zaza menavava iray. Ankizy nilalao papango no nahita ilay razana teny amin'ny Piste Vatofotsy hippodrome tamin'ny sabotsy teo. Notobasana rano mangotraka izy io, avy eo nokapohina ny hatony sy ny handriny. Potika mihitsy ny lohany. Efa mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao.
 - Antsirabe, vehivavy iray namoy ny ainy. Nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambalavato tamin'ny lalana ho any Soanindrariny, omaly hariva. Vehivavy iray no maty tsy tra-drano rehefa notetezin'ny kamiao. Potika tanteraka ny ilany havia. Araka ny vaovao, dia niaraka tamin'ny vadiny ity ramatoa ity. Toa hoe nanakana an'io fiara io izy handehanan'izy ireo mody nefa dia izao voahosy izao.
Lova 


3122midi-mg-003646-5596-24062008 Sénégalais nampidirina am-ponja
FANAKORONTANANA
Sénégalais nampidirina am-ponja
Notazonina vonjimaika any am-ponja ilay tovolahy Sénégalais nanakorontana tao amina trano fandihizana iray teto an-drenivohitra, no sady naniratsira mpitandro filaminana ary namotika ny biraon'ny polisy. Toy izao ny fandehany. Ny alin'ny zoma teo, tao amina trano fandihizana iray tetsy Antanimena. Nikasa ny hiditra tao ilay Sénégalais, izay efa mamon-drongony. Tsy navelan'ny mpiambina hiditra anefa izy noho izany hamamoany izany. Teo amin'zany izy no nanomboka nikorontana ary nidaroka izay rehetra sendra azy. Tsy voafehin'ireo mpiambina izy ka voatery niantsoana mpitandro filaminana. Soa fa tamin'io fotoana io no nanao fisavana karatra sy zaza tsy ampy taona tao ny polisy avy ao amin'ny PMPM (misahana ny zaza tsy ampy taona). Tsy mbola nahafehy azy ihany koa anefa ireo, noho ny havitsiany, ary na ny kaomisera lehiben'ny PMPM aza dia nahazo faniratsirana sy ompa avy aminy. Nantsoina ny polisy avy ao Tsaralalàna ka izay vao nety nanaraka ilay Sénégalais.
Nandritra ny fisamborana azy moa, ankoatra ny ompa variraraka, dia namerimbrina hatrany ialy tovolahy fa tsy matahotra polisy malagasy satria izy hono zanaka diplomaty. Efa tafakatra avo loatra angamba ny daozin'ny rongony ka tsy voafehy intsony ny vava navoaka.
Saika hitsoaka
Mbola nanohitra hatrany ilay tovolahy rehefa tonga tao amin'ny biraon'ny polisy tao Tsaralalàna, ka nisy mihitsy aza polisy iray naratra voa teo amin'ny lohany. Toa mila hivadika biby mihitsy ilay Sonegaly, ary mamoaka feo hafahafa izany.
Nilaza moa izy fa mpanao fanafody mahery ny razam-beny ka izany no maniraka azy hanao izao fihetsika izao. Teny izay mbola naveriny rehefa teny amin'ny Fampanoavana.
Tsy hitan'ny polisy intsony izay natao azy ka hany hery dia nampidirina tao amin'ny violon aloha hampakana saina, mialoha ny hanaovana famotorana azy. Mbola nanohitra ihany anefa izy, ka nopotehiny ny varavaran'ny violon, nodakadakainy ary vaky mihitsy. Soa fa nihidy ny varavaram-by lehibe taty ivelany raha tsy izay tafatsoaka tao ranamana. Noho izany fihetsika rehetra izany dia ny mpitandro filaminana mihitsy no nitory ity tovolahy Sénégalais ity, noho ny faniratsirana, fanakorontanana, fanimbana fananam-bahoaka ary fanoherana mpitandro filaminana. Eny Antanimora izy amin'izao fotoana izao, miandry ny Fitsarana amin'ny alarobia.



3164midi-mg-003689-5641-25062008 Fiara nosakanan'ny jiolahy, lasa ny 25 tapitrisa
AMBATOMANGA. Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray. Nodarohan'ireo mpanafika ny mpamily, mbola tsy mahatsiaro tena hatramin'izao.
Fiara nosakanan'ny jiolahy, lasa ny 25 tapitrisa
Fanafihana mitam-piadiana niseho tany Ambatomanga (RN 2), afakomaly hariva. Fiara handeha hanatitra vola no nosakanan'ny jiolahy mitondra basy, ka lasany ny 25 tapitrisa ary novonoiny ilay mpamily.
Nosakanan'ireo jiolahy ny fiara Peugeot 505 nentina lehilahy iray, izay nitondra ny vola. Vao nijanona dia nambanan'izy ireo basy ary nasainy nanome ny vola. Nodarohany ary nofahanany poizina. Naratra mafy ilay lehilahy ary torana tsy nahatsiaro tena. Vao nahazo ny volabe ireo jiolahy dia nirifatra nandositra ary navelany teo ilay mpamily sy ny fiara. Olona sendra nandalo no nahita ilay fiara sy ilay mpamily naratra mafy ka nampandre ny zandary.
Mbola tsy fantatra ny tena isan'ireo jiolahy nanafika, noho ilay niharam-boina tsy mbola mahatsiaro tena hatramin'izao. Tsy voafaritra mazava ihany koa ny antony nitondrana an'ilay volabe amin'ny andro hariva be.
Raha araka ny famotorana nataon'ny zandary aloha dia olona mahafantatra tsara ny fisian'io volabe io ihany no nanafika. Narian'ireo mpandroba teny amin'ny toerana tsy lavitra ny tanànany ilay mpamily, izay noheverin'izy ireo fa maty. Mbola tsaboina ao amin'ny CSB II ao Ambatomanga io mpamily io amin'izao fotoana izao.



3164midi-mg-003690-5642-25062008 Heloka bevava 24.403
ZANDARY
Heloka bevava 24.403
Nahatratra 13.084 tamin'ny 2006 ary 11.319 nandritra ny taona 2007. Izany hoe 24.403 ny heloka bevava nitranga nandritra ny roa taona. Ny zandarimariam-pirenena no nahazoana io tarehimarika io. Voamarika tao anatin'ny jery todika fa 5.715 ny olona nosamborina tamin'ny 2006 raha 29.959 kosa ny taona 2007. Raha nihena an'isa izany ny heloka bevava dia nitombo kosa ny isan'ny olona voasambotra. Na dia malaza ratsy aza fa tena anjakan'ny tsy fandriampahalemana i Madagasikara dia heverina fa mbola ambany ireo tarehimarika ireo raha oharina ny amin'ny tany mandroso. Raha tsy hiteny afa-tsy ny any Frantsa izay manodidina ny 400.000 isan-taona ny heloka bevava.
D.R 


3164midi-mg-003691-5643-25062008 Nolerana hazo ny lohany rehefa avy nokapakapaina
Herisetra
Nolerana hazo ny lohany rehefa avy nokapakapaina
Tovolahy iray 18 taona no niharan'ny habibian'ny sasany, ny sabotsy teo, tany amin'ny kaominina Miandrarivo, distrikan'i Tsiroanomandidy. Maty vokatry ny kapa kalaza intelo sy fandetehana hazo maranitra teo amin'ny lohany ity tovolahy ity.
Nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Antsirasira ity namoy ny ainy ity. Ndeha hody izy tamin'io andro io raha avy namonjy famoran-jaza. Efa maizina ihany ny andro. Tsy maintsy mandalo tetezana lehibe iray izy sy namany. Rehefa akaiky ilay tetezana anefa dia nihemotra noho ny tahotra ilay namany. Nanohy ny dia irery ranamana.
Rehefa tonga teo ambony tetezana dia notafihan'ny sasany izy. Voakapa kalaza intelo teo amin'ny lohany izy ary mbola noleran'ireo mpihetraketraka hazo maranitra ihany koa ny fihirifany. Maty vokatr'ireo zavatra ireo ilay tovolahy.
Fifamonoana
Manjaka any amin'io kaominina io ny herisetra isan-karazany. Vao tamin'ny herinandro dia nisy lehilahy iray 35 taona voakapa kalaza teo amin'ny handriny. Naharay ny masony izany. Tsy nahafaty azy io saingy saika niala mihitsy ilay maso. Mbola tsaboina any amin'ny hopitaly izy. Tranga hafa ihany koa no nahalalana fa sahy mifanandrina amin'ny miaramila ny karazana bandy any an-toerana. Izany hoe, tsy mihambahamba akory ry zalahy maka ny basy entin'ireny miaramila ireny. Misy toby miaramila mantsy any amin'iny faritra iny. Vao tsy ela koa izay, avy dia notolomin'ny jiolahy ny miaramila iray nitondra basy. Tsy nanaiky anefa ilay mpitandro filaminana. Farany, voatifitra teo amin'ny feny ilay bandy.
Atao sorona
Eo anatrehan'izao herisetra izao, tsy mijery fotsiny ny tompon'andrikitra ao an-tanàna. Nilaza mihitsy ny ben'ny tanàna fa afaka manao sorona ny ainy iadiana amin'ny firongatry ny asa ratsy rehetra. Sahy mirotsaka manenjika ireo olon-dratsy miaraka amin'ny mpitandro filaminana izy. Efa misy ny fepetra noraisiny. Tsy azo atao intsony ny mitondra fitaovam-piadiana eny an-dalana eny. Toa sarotra ihany anefa izany any ambanivohitra any. Ny kalaza sy ny karazana antsibe dia sady fitaovam-piasana no fiarovana.
H.J. 


3164midi-mg-003692-5644-25062008 Miaramila nangalatra bala dia voaendaka
Halatra
Miaramila nangalatra bala dia voaendaka
Nitatra ny sain'ity miaramila iray tamin'ny fotoana niambenany ny toby. Nangalariny ny bala miisa 20 miaraka amin'ny fahana. Eny amin'ny toby miaramila eny amin'ny lalana digue izy no miasa. Tamin'ny alakamisy lasa teo, nandeha nisotrosotro teny 67 Ha niaraka tamin'ny miaramila iray namany izy. Mamo tanteraka izy tamin'io. Ny mpanendaka anefa amin'iny faritra iny miandry fotsiny.
Teo no niseho ny angano, voaendaka ireto miaramila ireto. Very tamin'izany ireo bala nangalariny. Tetsy andanin'izany, nanao fanisana ny fitaovana tao amin'ilay toby ny tomponandraikitra ka tsikaritra ny tsy fahampian'ny bala. Nandeha ny famotorana ary fantatra fa tamin'ny fotoana niambenan'ilay miaramila resahina eto io no nisy ny fahabangana. Nosamboriny avy hatrany izy roalahy. Nofotorana teny amin'ny tobin'ny zandary. Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo omaly ary nidoboka vonjimaika any am-ponja ilay nangalatra. Ilay namany kosa, izay tsy nahalala na inona na inona, nahazo fahafahana vonjimaika.
Tsy tokony hahagaga intsony ny ahazoan'ny jiolahy isan-karazany basy sy bala entiny mandroba etsy sy eroa. Miteny ho azy ity vaovao ity. Hay misy ny mpamatsy an-dry zalahy.



3164midi-mg-003693-5645-25062008 Tapatapany
Tapatapany
Fandriampahalemana. Mpitandro filaminana miisa hatrany amin'ny 600 no hisahana ny fandriampahalemana amin'ny fetim-pirenena eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tafiditra ao avokoa ny avy amin'ny ankolafin-kery rehetra. Izany no natao mba hisorohana izay mety ho fihoaram-pefy ataon'ny sasany. Asaramanitra ny andro, samy manana ny heveriny hankalazana izany ny rehetra.
r.s.


3164midi-mg-003694-5646-25062008 Mpivarotra &quot;sachets&quot; voatrobaky ny sabatra
ANOSIZATO. Folo lahy no indray nanafika tokantrano iray. Tsy nihafahafa ireo nandratra ny tompon-trano tamin'ny zava-maranitra.
Mpivarotra sachets voatrobaky ny sabatra
Tsy mifidy hasiana intsony jiolahy. Lehilahy iray mpivarotra harona sachets no notafihana folo lahy tao an-tranony tetsy akaikin'ny fasan'ny Karàna etsy Anosizato, omaly vao maraimbe. Tsy nisy na inona na inona lasa, ary tsy misy na inona na inona nalaina rahateo tao. Saingy ny nampalahelo dia notrobaran'ireo olon-dratsy tamin'ny sabatra ilay rangahy. Teo amin'ny ranjony havanana no niditra ilay zava-maranitra ary nihatra tamin'ny taolany. Nentina tetsy amin'ny Hjra izy mba hanavotàna ny ainy ary hatramin'ny fotoana nanoratanay, omaly, dia mbola notazonina tao izy.
Mirongatra
Ny tena mahavariana dia ny safidin'ireo jiolahy handroba ity tokantrano ity: mpivarotra sachets no anton'asan'ny raim-pianakaviana! Etsy an-danin'izany, trano iray ihany koa no vaky tetsy Andavamamba. Tsy nitondra zavatra firy ireo olon-dratsy saingy vitany ny nahandro sakafo tao amin'ny toerana notafihany. Tsy nisy olona rahateo tao tamin'io fotoana io. Izany rehetra izany dia manambara fa mirongatra ny asan-jiolahy amin'izao ankatoky ny fety izao...
Didi R. 
Lire aussi - Zandary : Heloka bevava 24.403 - Herisetra : Nolerana hazo ny lohany rehefa avy nokapakapaina - Halatra : Miaramila nangalatra bala dia voaendaka - Tapatapany 


3188midi-mg-003719-5673-27062008 Tobina zandary nisy nanafika, bandy roa maty voatifitra
Ankazomirihotra. Manana fahasahiana tokoa ireto andian'olona nanafika tobin'ny zandary ireto. Tsy nanaiky ireo voatafika fa niaro tena.
Tobina zandary nisy nanafika, bandy roa maty voatifitra
Tamin'ny alarobia alina faha-25 jona, nisy nanafika ny tranon'ny komandàn'ny brigadin'ny zandary tany Ankazomirihotra. Andian'olona maromaro ireo niditra an-keriny ireo. Tsy nitazam-potsiny anefa ilay zandary fa mba niaro tena ihany koa. Voatifitra tamin'izany ny roa tamin'ireo mpanafika ary maty avokoa. Raha nahita izany ireo namany dia lasa nandositra.
Fahasahiana
Efa mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao hanenjehana ireo andian'olona ireo. Tsy mbola fantatra kosa ny anton'ny fanafihana. Entitra tokoa ity komandà ity amin'ny asa ataony, indrindra mikasika ny fanenjehana ireo jiolahy sy dahalo samihafa. Faritra mbola anjakan'ny asan-jiolahy sy ny halatra omby iny mandeha miakandrefana iny. Toa nanao sangy nihoatra ny loha ihany anefa ry zalahy. Eo anatrehan'ny zava-misy any an-toerana, dia tsy maintsy efa mailo mandrakariva ny mpitandro filaminana.
Hangalatra
Raha hangalatra no nahatongavan'ireto andian'olona ireto, tsy tokony ho any amin'ny toby izy no nandeha, satria inoana fa ankoatra ny basy, dia tsy hisy zavatra sarobidy firy tehirizina any. Sa kosa saika hanao valifaty izy ireo? Ny famotorana no tsy maintsy hahalalana izany. Tao anatin'ny fety no nisian'ity fanafihana ity. Asa, noheverin'ireo jiolahy ireo fa ho variana amin'izany ny mpitandro filaminana ka izany no nahatongavany. Amin'ny andro tsy maty fa izany no filazan'ny Malagasy ny andro fety, eo indrindra no manamafy ny fiambenana ny mpitandro filaminana.
Lova/r.s. 


3189midi-mg-003721-5675-27062008 Poa-basy, nisahotaka ny olona, zaza iray maty voahitsaka
Endaka
Poa-basy, nisahotaka ny olona, zaza iray maty voahitsaka
Zaza kely iray vao enim-bolana no namoy ny ainy tany Antsirabe Nord raha voahitsaky ny olona. Andro alakamisy tsena any an-toerana no nisehoan'ity zavatra mampalahelo ity. Lehilahy nikasa hanendaka mpivarotra no nahatonga ny fifanosehana.
Samy nivarotra teny amoron-dalana ny mpivarotra. Vehivavy iray mpivarotra ireny akanjo fripy ireny no nokendren'ity lehilahy ity. Noharonin'ity mpandeka ity ny paosiny. Rehefa avy eo, nisy zavatra navoakany tany ary napoakany avy eo. Ao ireo nilaza fa basy. Nisahotaka ireo mpivarotra sy mpiantsena raha nahare izany. Nihazakazaka samy nanavotra aina. Tamin'izany no nahavoahosy ilay zazakely zanaka mpivarotra.
Tetsy an-daniny, nanatona ilay mpivarotra fripy ilay mpangalatra. Nosintoniny ny sakaosy nisy ny vola. Niambozonan'ilay vehivavy anefa io zavatra io ka sarotra ny naka azy. Tsy nanaiky koa ramatoa mpivarotra fa notazoniny tamin'ny akanjony ity jiolahy. Farany, rehefa tsy azony ilay vola dia lasa nandositra izy. Afaka ny tahotry ny olona ka nanao andiany maro nanenjika ilay olon-dratsy izay niditra tao amin'ny biraon'ny kaominina. Nantsoina ny mpitandro filaminana ka voasambotra ity mpanendaka ity.
Remi. R. 


3189midi-mg-003722-5676-27062008 Afomanga, miaramila roa maty
Toamasina
Afomanga, miaramila roa maty
Tsy nahomby, izany no azo ilazana ny fanapoahana afomanga tany an-dRenivohitr'i Betsimisaraka. Inoana fa nisy dia nisy ny tsy fietezana tamin'ny fikarakarana izany. Vokany, miaramila roa no may. Avy aty Antananarivo izy ireo. Efa vonona hijery afomanga ny mponin'i Toamasina ny harivan'ny faha-25 jona. Tomefy olona ny sisin-dranomasina. Tamin'ny fotoana nanombohana ny afomanga no niseho ny tsy nampoizina. Avy hatrany dia nisesy nirehitra ireo afomanga. Tsy nijanona izany raha tsy tapitra nirehitra izy rehetra.
Torana
Raha nahita ny fandehan-javatra ireo olona marobe, dia samy lasa nanavotra ny ainy. Vokatr'izany fandosirana izay, dia olona iray no nianjera ary torana. Ireo sambo roa nametrahana ny afomanga dia nisy fahasimbana ihany koa. Ho fanomezana fahafahampo ny mponina izay tsy afaka nihanoka tanteraka ny hatsaran'izany sarisarin'afo izany, dia naverina omaly alakamisy, andro fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantena, ny fandefasana ny afomanga.
J.C.Steve 


3189midi-mg-003723-5677-27062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fijangajangana, nafatotry ny olona izy roa. Tratran'ilay rangahy sy ny fianakaviany tao an-tranony ny tovolahy iray 18 taona nangalatra ny vadiny. Efa ela ramatoa no nisakaiza tamin'ilay tovolahy io. Efa mahina rangahy satria tsy mety manao firaisana aminy intsony ny vadiny raha tsy manomevola azy ralehilahy. Nanaovany ady an-kafetsena ka mody nandeha niandry vary tany an-tsaha izy. Niverina tampoka izy ka tamin'izany no nahasarona ny zavatra nafenina.
Natao ny raharaham-pihavanana. Nanaiky ny hanome vola 50.000 Ariary ilay tovolahy mpaka vadin'olona.


3190midi-mg-003725-5682-28062008 Toran'ny toaka tany an-dakilasy
ZAZAVAVY 14 TAONA. Tapitra nosotroiny avokoa ny toaka gasy tao anaty tavoahangy. tsy nisy nahatsikaritra izany raha tsy izy efa tsy nahatsiaro tena.
Toran'ny toaka tany an-dakilasy
Torana tsy nahatsiaro tena ilay zazavavy vao 14 taona monja, ary nentina teny amin'ny hopitaly vao avotra ny ainy. Tranga niseho tao amina sekoly tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny faran'ny herinandro lasa teo. Nangataka ny hanao fety tao am-pianarana ny tovovavy efatra mpinamana, samy mpianatra ao amin'ity sekoly ity. Nanaiky izany ny tomponandraikitra tao amin'ny sekoly ary raikitra ny fety. Nividy toaka Ambilobe, izy efa-bavy ary nampiana CocaCola hanapohana azy. Nisy tamin'izy ireo anefa efa nitondra toaka gasy tapaky ny tavoahangy avy any an-tranony. Nandritra ny fety anefa tsy nisy nahatsikaritra fa hay nosotroin'I Tiana (anarana indrana),14 taona daholo ny toaka gasy tapaky ny tavoahangy. Araka ny fanadihadiana natao dia nanana olana tamin'ny sakaizany izy ka izany no antony nisotroany izany, mba ho mamo ary hanadino izany olana ara-pitiavana izany.
Tsy nahatsiaro tena
Efa torana tsy nahatsiaro tena i Tiana vao nisy nahatsikaritra, ka nifamonjena novelombelomina. Soa fa nisy fianakaviany miasa ao amin'ilay sekoly ka nitondra azy tany amin'ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona.  Nahazo ny fitsaboana rehetra ilaina izy ary niverina ny ainy, ora roa taorian'ny nidirany hopitaly.
Taorian'izany dia nametraka fitoriana teny anivon'ny mpitandro filaminana ny ray aman-drenin'ilay zazavavy. Nampanantsoina halaina am-bavany avokoa ireo ankizy mpiara-mianatra aminy sy ny ray aman-dreniny avy, ary ny tomponandraikitra tao amin'ny sekoly. Tsy mbola nandalo teny kosa anefa hatramin'izao ny talen'ny sekoly, izay isan'ny voakasika voalohany amin'izao raharaha izao. Hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Tsara homarihina fa voararan'ny lalàna, ary mety hidirana an-tranomaizina ny fivarotana zava-pisotro mahamamo sy ny fampisotroana izany amin'ny zaza tsy ampy taona.



3190midi-mg-003726-5683-28062008 Feno loatra ny fonja
Antsiranana
Feno loatra ny fonja
Mahatratra  469 ny olona voafonja eto amin'ny fonjan'Antsiranana. Ny 20 amin'izy ireo no zaza tsy ampy taona, ary 14 ny vehivavy. Nandritra ny fitsidihana nataon'ny lehiben'ny faritra DIANA ny voafonja tamin'ny 24 jona no nahafantarana izany. Nambaran'ny tale mpitantana ny fonja eto Antsiranana fa tsy maharaka intsony ary efa mihoatra ny tokony ho izy ny olona ao anatin'ny fonja, ka ilana fijerena manokana ny mahakasika izany, mba ho toerana fitaizana sy ny fanovana ny toe-tsaina tokoa ny fonja. Vary dimy gony amin'ny 100kg ; savony ; zava-pisotro mamy ; siramamy dimy gony no natolotry ny lehiben'ny faritra tamin'izany ho an'ireo voafonja. Hafa kely kosa ny fanampiny ho an'ny vehivavy voatana ao , misy ny fanomezana azy ireo ny salovana ambony sy ambany. Teto koa no nahafantarana fa hafindra toerana ato ho ato ity fonja eto ity, raha vantana vao vita ny lapan'ny fitsarana ambony eo akaikiny. Nanamafy izany ny teny fohy nataon'ny  lehiben'ny faritra Diana Anjara MANANTSARA nadritra io fotoana io.  Nahatsiaro ho nanan-kavana tanteraka izahay na dia ato amin'ny fonja aza hoy ny solontenan'izy ireo satria mbola tsaroan'ny mpitondra fanjakana ihany. Ny zavatra hita ihany koa ao amin'ny fonja dia voahaja ny fahadiovana. Ny hamaroana no tsy mbola misy fanafodiny. Ny fanitarana ny fonja ihany no mety na dia hiova toerana aza ny fonja satria efa tsy maharaka ihany koa ny any amin'ny distrika hafa.
V.JCL 


3190midi-mg-003727-5684-28062008 Nanendaka tamin'ny basy kilalao, saika matin'ny olona
Asan-jiolahy
Nanendaka tamin'ny basy kilalao, saika matin'ny olona
Omaly maraina tokony ho tany amin'ny 6 ora tany, nisy bandy efatra nitondra basy ny iray, nanambana mpivarotra iray tetsy Andravoahangy akakin'ny mpivarokena. Avoahay ny vola, hoy ireo mpangalatra. Na dia mbola somary maizina aza ny andro tamin'izany dia efa maro ny olona nivezivezy nahita ny fandehan-javatra. Ny iray tsy dia lavitra teo no nahatsikaritra fa basy kilalao no teny aminy ary niteny. Raha voa nahare izany ilay mpivarotra dia namely avy hatrany ilay nanambana basy azy. Latsaka ilay kilalao. Raiki-tahotra ireo mpanendaka ka nanao tari-dositra. Nifanotofan'ny mpiantsena marobe nenjehany ka tratra ny iray. Ireo namany, tafaporotsaka.
Niharan'ny hatezeram-bahoaka avy hatrany izy io ka tsy afaka teo raha tsy tonga ny polisy naka azy sy nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Nentin'ny mpitandro filaminana ihany koa ilay basy kilalao tavela teo amin'ny tany teo.



3190midi-mg-003728-5685-28062008 Tapatapany
Tapatapany
 - Andravoahangy, tapa-tongotra. Lehilahy iray no tapa-tongatra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, omaly tokony ho tamin'ny 10 ora, tetsy Andravoahangy. Iny izy ndeha hidina ny taxi-be notaingenany iny no nifatraran'ilay taxi-be hafa avy ao aoriana. Tamin'izany no nahavoa azy.
 - Toamasina, may 60% ireo miaramila. Nanome fanazavana misimisy kokoa mikasika ireo miaramila roa may tamin'ny fanapoahana afomanga tany Toamasina ny avy ao amin'ny hopitaly any an-toerana. May hatrany amin'ny 60% izy roa ireo (1er dégrè). Tsy nisy araka izany ny namoy ny ainy.
r.s./JCS 


3218midi-mg-003757-5716-30062008 96% de réussite au Bac, un record historique ! 
Lycée Français de Tana
96% de réussite au Bac, un record historique ! 
La cuvée 2008 a été très bonne pour le Lycée Français de Tana, qui compte près de 27 nationalités. Sur les 254 candidats au Bac, 243 ont été reçus. Soit une réussite de 96%, contre 92% l'année dernière.  Ce taux de 96% peut être qualifié d'un record historique. En effet, c'est le meilleur résultat de ces 18 dernières années. Et ce n'est pas tout ! Beaucoup d'élèves ont décroché leur diplôme avec mention. Un nouveau bachelier sur trois a une mention très bien ou bien. La meilleure note, celle d'Agathe Zebrowski en série scientifique, est de 19,30/20, s'est réjoui Joël Lust, proviseur de cet établissement. Pour fêter cette belle réussite et pour souhaiter  bon vent  à ces nouveaux diplômés, une cérémonie de  graduation  s'est tenue dans une ambiance très colorée et animée, hier à l'Auditorium à Ankorondrano.  Oser ! C'est le seul mot d'ordre que je vous donne pour réussir votre nouvelle vie , a recommandé Zo Tortey, la marraine de cette cuvée 2008. La grande majorité de ces nouveaux bacheliers, sinon tous, vont bien évidemment poursuivre leurs études supérieures en France ou à l'extérieur.
v.a. 
Société 

3222midi-mg-003762-5721-30062008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Sabnam. Tovolahy nifanindrona antsy, maty ny iray. Tranga niseho afakomaly hariva tamin'ny 7 ora sy sasany. Roa lahy niady nifanindrona antsy. Voa teo amin'ny kibony ny iray ary nivoraka ny tsinainy. Noho ny ratra nahazo azy dia tapitra ny ainy.
 - Andoharanofotsy. Mpirahalahy nifamono, maty ny iray. Noho ny ditran'ity tovolahy ity dia nifamaly izy sy ny zokiny ary efa saika novonoiny koa ny reniny. Nandritra ny ady nifanaovan'izy ireo dia noveleziny fanoto ny kibon'ny zokiny. Naiditra hopitaly ity farany ka maty afaka andro vitsivitsy. Nitolo-tena tany amin'ny zandary afakomaly ilay nahavanon-doza.
 - Brickaville. 4x4 nivadika olona iray maty, iray naratra mafy. Loza niseho ny alin'ny 25 jona. Niala lalana ilay fiara ary latsaka tanaty tatatra. Naratra ny mpamily, mpandeha iray namoy ny ainy. Tovolahy iray ihany koa maty voadonan'ny fiara tamin'iny lalam-pirenena faha-2 iny.
 Milaza ho mahay mampitombo vola. Olona 13 no voafetsiny tao Antsahavaribe, fokontany Antsirabe, distrika Sambava. Saingy tonga saina ihany ireo rehefa nampiandrasiny ela loatra. Nenjehan'ny olona eran'ny tanàna ilay rangahy saingy rehefa tonga teo amin'ny moron-drano izy dia tsy hita izay nanjavonany. Mitohy ny fikarohana azy.
 Lehilahy 30 taona nisy nigafy tao Antsiranana. Vokatr'izany dia maty io rehefa tonga teny amin'ny hopitaly. Avy namonjy boîte de nuit izy io raha araka ny fantatra. Ny mampahalelo dia tsy mba nisy nitsangana ho vavolombelona ireo heverina fa nahita ny zava-nitranga. Mananosarotra ny fanadihadian'ny mpitandro ny filaminana izany.
 Olona roa no maty nisy namono tao Sambava sy ny manodidina, ny alin'ny 25 jona teo. Ny voalohany dia mpivady nifamono. Notsindronin-dramatoa ny vadiny dia maty. Ny faharoa kosa mpinamana niady, nifanindron'antsy teo imason'olona izy ireo.
Rémi R/D.R/Mamy Augustin/Aina R. 


3222midi-mg-003763-5722-30062008 &quot;Bal&quot; noravain'ny mpitandro filaminana
Bal noravain'ny mpitandro filaminana
Rava ny  bal . Nisy ny naratra izay voatery nentina teny amin'ny toeram-pitsaboana. Tany Antsiranana no nitrangan'izany ny alin'ny 25 hifoha 26 jona teo, tao anatin'ny lanonana iray izay nafanain'ny tarika malaza, niniana tsy tononina eto mba tsy hanimba ny lazany. Araka ny fanadihadiana natao, dia adiady teo amin'ny samy mpitandro filaminana no fototr'izany. Nandeha hatramin'ny toraka tavoahangy sy tsindron'antsy, raha araka ny vaovao ihany. Nanamarina izany rahateo ireo olona nanatrika an'io fety io. Efatra no naratra, araka ny vaovao farany, ary sivily avokoa izy ireo.
Rava tanteraka
Izany hoe, olona tsy manan-tsiny, tsy tao anatin'ilay ady mihitsy. Tsy nisy nandefitra ireo nanakorontana hany ka voatery nanafatra mpitandro filaminana avy aty ivelany mba handamina ny raharaha. Rava tanteraka ilay fety nanomboka teo. Nisy ny feo nandeha fa nisy poa-basy tamin'io fotoana io. Nandà izany anefa ny tomponandraikitra izay nanontanianay. Tsy izao akory vao niseho ny adiady eo amin'ny samy mpitandro filaminana. Indrindra koa eo amin'ny vondrona roa samy hafa, mitovy amin'ity tranga tany Antsiranana ity. Isan'ny tadidy avy hatrany, raha ny teto an-drenivohitra manokana no resahina, ny famonoan'ny pôlisy iray ny manam-boninahitra irao ao amin'ny tafika taorian'ny fifamaliana kely. 
V.Jcl 


3250midi-mg-003792-5758-01072008 Maty nanala zaza tany amina dokotera sandoka  Fivarotana telo may tao an-tsena Asabotsy
Mandoto
Maty nanala zaza tany amina dokotera sandoka
Tany amin'ny tanànan'i Mandoto no niseho ny zavatra mampalahelo iray. Ankizy vavy 16 taona nitondra vohoka no nentin'ny reniny hanala zaza tany amina dokotera sandoka. Ny andron'ny nanaovana ny fanalana ilay zaza tao an-kibony ihany dia maty ity ankizy vavy ity. Teo anatrehan'izany, dia tsy nanaiky ny fianakaviana fa nitory an'ity dokotera ity. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana isan-karazany. Tamin'izany no nahafantarana fa tsy dokotera nahavita fianarana mikasika ny fitsaboana ity olona ity fa toa misandoka ihany. Rehefa nofotorana izy dia toa nihaiky izany. Nilaza kosa anefa ity olona ity fa manana fahaizana manokana hitsabo olona ka ankeviny tafiditra amin'izany ny fanalana zaza.
Omaly alatsinainy no niakatra teny amin'ny fampanoavana Antsirabe ny raharaha. Asa anefa izay zavatra niserana na niseho, fa araka ny loharanom-baovao dia mitady hanatsoaka ny fitoriana ny renin'ilay ankizy.
Antsirabe
Fivarotana telo may tao an-tsena Asabotsy
Tamin'ny sabotsy maraina be, tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany, andro tsena eto Antsirabe dia nirehitra ny trano fivarotana telo tao amin'ny tsena Asabotsy. Potika tsy nisy azo noraisina ny entana. Tao amin'ilay trano nirehitra voalohany, voalaza fa nisy namantsika avy aty ivelany ny varavarana, saika tsy tafavoaka avy ao ny mpiambina.
Tsena fivarotana harona plastika, savony sy enta-madinika ireo nirehitra ireo. Mitentina hatrany amin'ny Ar 7 tapitrisa ny tentim-bidin'ny entana may. Ny tombantomban'ny maro no ilazana fa niniana nodorana ireo tsena ireo. Tsy lavitra teo mantsy no nahitan'ny olona tavoahangy plastika mamofona lasantsy. Efa tsy nisy zavatra intsony tao anatiny. Ny mahalasa saina ny rehetra dia nisy fivarotana hafa koa efa voatondraka lasantsy hatramin'ny entana ao anatiny, toy ny siramamy sy ny sisa. Trano hazo ireo efa nisy nanondraka lasantsy ireo.
Tsy vao izao no nisy fahamaizana tao amin'ny tsena Asabotsy fa efa imbetska mihitsy. Ombieny ombieny dia ahitana soritra fa misy fanahy niniana no nahatonga izany firehetana izany. Tsy fantatra kosa anefa izay tena zavatra notadiavin'ireo na ilay nandoro. Efa mandeha ny famotorana.
Lova - Lova 


3250midi-mg-003793-5759-01072008 Mpandeha maty teny ambony fiaramanidina
ANTSIRANANA. Ny iray maty tany anaty raopilanina, ny faharoa kosa dia tatsambo izay namoy ny ainy tao anaty sambo. Olona roa izany no indray hita faty tao anatin'ny iray andro tany Antsiranana.
Mpandeha maty teny ambony fiaramanidina
Tsy tody teny amin'ny toerana tokony higadonana akory dia tapitra ny ainy. Rangahy iray no maty teny ambony fiaramanidina ny zoma lasa teo. Avy eto an-drenivohitra io farany, vao avy nitsabo tena, no io nindaosin'ny fahafatesana tampoka io. Saika hitodi-doha hody any amin'ny fianakaviany any Ambilobe izy taorian'io fitsaboana io. araka ny vaovao azo, dia teo anelanelan'Antananarivo sy Nosy- be izy no nanomboka nanao krizy. Teo anelanelan'ireo tanàna roa ireo ihany koa izy no namoy ny ainy. Fantatra ihany koa, avy amin'ny vaovaon'ny mpitandro filaminana, fa mpampianatra ao Ambilobe no asany. Tamin'ny 11 ora no nigadona tao Antsiranana ny fiaramanidina. Tonga teo an-toerana mba hitsena azy ny fianakaviany. Saingy indrisy fa raha izy efa salama tsara no nantenaina dia izy efa tsy nisy aina intsony no novantanina teo amin'ny seranam-piaramanidina.
Tatsambo maty
Etsy an-danin'izany dia tatsambo ikraniana iray koa no hita faty tanaty sambo. Mbola tao Antsiranana ihany koa no nahitàna azy io. Fijanonan'ny fo tampoka na arrêt cardiaque no nahafaty azy. Manodidina ny tamin'ny 07 ora hariva, ny zoma 27 jona lasa teo, no nahitana ny vata mangatsiakany. Tao amin'ny efitrano fivoahana sy fidiovana, raha araka ny vaovao azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena izay nanao ny fizahana ifotony, no niakarapoka izy. Tonga teny ihany koa ny mpitsabo nijery akaiky ilay razana. Ary dia nazava teo fa fijanonan'ny fo no nahavoa ity tatsambo ity. Na izany aza anefa dia tsy maintsy natao ny autopsie ary misokatra manaraka izany ihany koa ny fanadihadian'ny mpitandro filaminana, ny borigadin'ny seranana.
D.R 


3250midi-mg-003794-5760-01072008 Zaza roa kilan'ny afo
Andranomena
Zaza roa kilan'ny afo
Trano iray no nirehitra teny amin'ny faritra Andranomena, ny alahady hariva teo. Zaza roa, vao 3 volana sy 4 taona, no kilan'ny afo tao.
Trano vita amin'ny hazo ary notafoana bozaka izy io. Telo ireo ankizy no tao tamin'io. Ary ireo lehibe kosa tany amin'ny toeram-piasany avy. Ny fokonolona teny an-toerana no tonga namono ny afo. Tsy nisy nahalala kosa anefa hoe misy zaza napetraka tao.
Tsy fitandremana
Hatramin'izao, tsy mbola fantatra ny niandohan'ny fahamaizana. Efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany hahalalana izay zavatra niseho marina mikasika ity trano may ity. Tsy vao izao no nisy zaza navela irery kilan'ny afo tanaty trano. Ao dia ao ny tandrevaky ny ray aman-dreny. Misy ny manadino mamono ny afo avy nandrahoana sakafo. Ao koa ny mampirehitra labozia na solitany. Ny ankizy amin'ny zaza azy, tsy mahalala velively izay loza mitatao ary misy aza sahy milalao afo.



3250midi-mg-003795-5761-01072008 Namono tena izy rehefa avy namono olona
Sambava
Namono tena izy rehefa avy namono olona
Zavatra nampalahelo no niseho tany amin'ny tanàna atao hoe Andiolavabe any amin'ny faritr'i Sambava. Olona roa no indray namoy ny ainy. Tamin'ny 25 jona teo no niseho ity vonoan'olona ity. Mpinamana efa hatramin'ny efa ireto maty ireto. Nilalao daomy izy ireo tamin'io andro io. Nahatratra Ar 1000 ny paozy. Ny loka lakalaka, misy ny mahazo be, misy ny very volabe. Tokony ho tany amin'ny 3 ora tolakandro, nijanona ny lalao fa maty be ny iray. Nilaozany teo ireo namany roa ary lasa nandeha nisotrosotro tany amin'ny labotika izy.
Niverina izy afaka fotoana elaela. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nokapakapainy tamin'ny antsibe ilay nahazo ny volany ka maty tsy tra-drano. Lasa nandositra izy avy eo. Ny ampitson'iny dia hitan'ny olona tao amin'ny renirano atao hoa Andiolavabe ny fatiny. Araka ny fijerin'ny olona azy, raha vao nahafaty ireo namany izy dia namono tena tao amin'io rano io. Nesoriny ny akanjony ary napetrany teny amin'ny moron-drano.
Mamy A. 


3250midi-mg-003796-5762-01072008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Manjakandriana. Fiara nifandona, olona roa namoy ny ainy. Nifandona ny fiara Mercedes sy ny kamiao be iray, omaly tamin'ny 5 ora hariva, tao Manjakandriana. Nisongona fiara nijanona teo amin'ny sisin-dalana ilay kamiao ka nifatratra tany amin'ilay 307, izay nitondra mpandeha. Namoy ny ainy ny mpandeha roa ary mbola maro ireo tsaboina any amin'ny hopitaly.
 - Manerinerina. Faty tapa-tongotra sy tanana. Ny 25 jona  tamin'ny misasakalina, tao Betaha-Tsinjorano II, kaominina Manerinerina PK2, dia hitan'ny fokonolona ny fatin-dehilahy iray efa tsy nisy rantsam-batana. Araka ny fanadihadiana dia nonina tao Ambodimanga-Sarobaratra, distrika Tsaratanàna io lehilahy maty io. Vaky ny kibony, tapaka ny tanany sy tongony havia. Ny zandary ao Manerinerina sy ny dokotera no nanao ny fizahana. Mitohy ny famotorana.
 - Ambatomainty. Mpangalatra matin'ny fokonolona, ny 25 jona  hariva, tao Ambatomainty, kaominina Bekapaina. Nilaza ho mpanao radio ity olona iray nefa nangalatra omby roa. Tratra izy ary maty novonoin'ny olona. Ny zandary ao Tsaratanàna no misahana ny famotorana.


3261midi-mg-003808-5776-02072008 Zazavavy tsy hita , telo andro natory tany anaty lavabato
SAMBAVA. Tsy fantatra na nentin-javatra na ditran'ankizy, fa tsy hita hatramin'ny sabotsy ny tovovavy iray.
Zazavavy tsy hita , telo andro natory tany anaty lavabato
Nanomboka tamin'ny sabotsy teo no tsy hita ity ankizy vavy kely iray vao 13 taona. Ny alatsinainy maraina vao hitan'ny olona tsy dia lavitra ny tanana izy. Vehivavy ndeha haka rano no nifanena taminy. Io farany io no nandeha niantso ny ray aman-dreniny. Raha vao nahita azy ny rainy dia nanontany izay toerana nalehany. Toa verivery saina izany anefa izy ary nila tsy hahaloa-peo akory. Ny reniny no niangavy tamin'ilay rangahy mba hamela azy ho tonga saina tsara aloha vao hanadina azy indray. Nony afaka fotoana ela, rehefa afaka niresaka tsara ilay zazavavy, dia nitantara ny zavatra nahazo azy. Nilaza izy fa nentin'ny namany nandeha tany anaty lavabato. Azon'ny fandraikirekena angamba izy satria nanaraka avy hatrany. Ilay namany nitondra azy anefa vao 11 taona monja. Io no niteny taminy fa misy zavatra mila vehivavy any. Dia nijanona tao anaty lavaka tao izy nandritra ny andro rehetra tsy nahitana azy. Asa na nisakafo izy nandritra ireo andro ireo na tsia.
Rehefa nanontaniana ny fomba nahatafavoaka azy tao izy, dia nilaza fa tsy fantany. Nandeha fotsiny izy ary nony farany dia io tonga teny akaikin'ny tanana io. Tamin'ny fotoana nahitan'ilay mpatsaka azy, tsy tsapany akory hoe tsy lavitra ny tranony izy.
Nametraka fitarainana tany amin'ny mpitandro filaminana ny ray aman-drenin'ity zazavavy ity. Tombatombana no hilazan'ny rainy fa nisy zavatra hafahafa tamin'ny fanjavonan'ny zanany. Tsy maintsy nisy olona naniraka ilay ankizy 11 taona nitondra ilay 13 taona. Io olona naniraka io dia heveriny fa tsy lavitra ilay ankizy vavy kely taona.
Maro amin'izao ny fanjavonana ohatra an'ity miseho manerana ny tanana maro eto amintsika. Izany no mahamahina hatrany ny any ambanivohitra any. Raha vao misy vahiny mandalo dia lazaina fa mpangala-jaza avokoa.
Mamy A. 


3262midi-mg-003810-5778-02072008 Bandy nisaron-tava nanafika olona avy any an-dafy
Asan-jiolahy
Bandy nisaron-tava nanafika olona avy any an-dafy
Tamin'ny alatsinainy maraina tamin'ny 2 ora, notafihina jiolahy roa misaron-tava ny tokantrano iray tao amin'ny tananan' Analananjavidy eto Mananjary. Tamin'io ora io, niditra an-keriny ireto olon-dratsy ireto. Avy hatrany dia nitifitra izy ireo. Intelo nipoka ny basy. Ny voalohany, natifitra ilay vehivavy tompon-trano. Tsy nahavoa azy izany fa niantefa teny amin'ny rindrina ary dia raikitra teo. Ny faharoa, ilay lehilahy indray no nokendrena. Lasa tany amin'ny fitaratra ny bala. Avy eo ny mpiambina indray no voatondro basy, saingy mbola tsy voa ihany. Ny mpifanolo-bodirindrina, tsy nisy sahy nivoaka raha vao nahare ny feom-basy.
Hafahafa ny fandehan-javatra. Voamarika fa na ny alika tany ivelany aza, voabaikon'ireto mpandroba ireto ka tsy nihetsika kely akory. Tamin'ny resaka nifanaovan'ilay ramatoa tamin'ny mpanao gazety dia nilaza izy fa olona tsy lavitra ny fianakaviana ireo nanafika ireo. Very tamin'io alina io ny volavahiny 1200 euros, ny ordinatera portable, ny taratasy maro miaraka amin'ny carte de credit ary ny akanjo tanaty valizy.
Tompon-tany eto Mananjary ity fianakaviana ity saingy efa mipetraka any an-dafy. Tonga haka rivotra sy hanamboatra ny tranony aty Madagasikara izy ireo. Kivy tanteraka ry zareo tamin'ity tranga  ity.
HAR 


3263midi-mg-003812-5780-02072008 Le nouveau Procureur a pris service
Justice
Le nouveau Procureur a pris service
Rabakoaritiana Victorine, nouveau Procureur de la République du tribunal de première instance. Elle succède à Lala Andrianasolo R., qui selon nos informations, est devenue premier conseiller d'ambassade en Italie. La passation de service, entre les deux magistrates, s'est déroulée, hier à Anosy. Le nouveau P.R aura déjà à traiter plusieurs dossiers délicats  dont, en premier lieu, l'affaire Bôlô et consorts.
recueillis par D.R 


3299midi-mg-003849-5848-04072008 Mpianatra mivarotra menaka rongony
ZAVAMAHADOMELINA
Mpianatra mivarotra menaka rongony
Mbola mpianatra vao haka baccalauréat, ary manao vakansy eto Antananarivo dia efa mivarotra menaka rongony sahady ity tovolahy voasambotry ny polisy omaly ity. Menaka rongony 3 litatra izay saika hamidy 3.000.000 Ar no tratra teny aminy. Toy izao ny fandehany. Mpianatra avy any Ihosy ary manao vakansy eto an-drenivohitra ity tovolahy ity. naharay vaovao mikasika ny fisian'io mpianatra mitondra menaka rongony ny avy ao amin'ny polisy,  ka nanao vela-pandrika. Roboka tokoa ny anao lahy ka omaly tolakandro no nifanao fotoana. Tonga teo tokoa ka raikitra ny ady varotra, ary napoitran'izy roalahy ny menaka tao anaty bidon. Tsy nisalasala akory ny polisy nisambotra azy ireo.
Avy any Ihosy izy mirahalahy voasambotra ireto, ary nentiny avy any ity menaka rongony ity. samy vao 22 taona izy roalahy ary samy mbola mpianatra avokoa.
Anio no hatolotra ny Fitsarana izy ireo.
Vaovao mikasika izay zavamahadomelina izay ihany, tovolahy iray vao erotrerony ihany koa ny tratra nifoka rongony tao anatin'ny trano fandihizana afakomaly tolakandro. Mbola nahatratrarana rongony tanaty fonosana koa teny aminy. Efa natolotra ny mpitandro filaminana ny raharaha.



3299midi-mg-003850-5849-04072008 Saofera tratry ny androbe, nitohana ny lalan'Ambohibao
Hafakely
Saofera tratry ny androbe, nitohana ny lalan'Ambohibao
Nisahotaka ny teny Ambohibao omaly tokony ho tany amin'ny 5 ora tany ho any. Kamiao mpitatitra tany iray avy any Anosiala no maty teo afovoan'ny arabe. Ny antony, nihetsika ny androben'ilay mpamily azy. Soa ihany fa ankeviny mbola tonga saina izy fa tafajanony ny fiara ary dia tsy nihetsika intsony ilay izy. Amin'io ora io anefa, ho tonga eny amin'ny seranampiaramanidina ny filoham-pirenena ary tsy maintsy handalo amin'iny faritra iny. Tsy maintsy atao izay hanalana io fiara mibahana eo io. Tonga teo avokoa ny tompon'andrikitra amin'iny faritra iny.
Natao avokoa izay azo natao. Navoaka ny fiara ingahy mpamily. Efa teny ivelany izy, mbola nihetsika intelo ny androbe nahazo azy. Tompon'andrikitra iray no nikarakara sy nandefa azy any amin'ny hopitaly.
Sahiran-tsaina ny mpitandro filaminana mandamina ny fifamoivoizana. Nitohana izay tsy izy ny lalana. Ilay fiara, toa tsy nisy mahay mamelona. Soa ihany fa nisy mpiara miasa amin'ity olona narary tampoka ity tonga teo an-toerana ary izy no tsy maintsy nanisaka ilay kamiao teny amin'ny sisin-dalana.
Asa sarotra ny an'ny mpitandro filaminana amin'ny tranga ohatran'izao. Mandeha eo avokoa ny resaka rehetra ataon'ny olona. Tombatombany ihany anefa izany satria rehefa nahisaka tamin'ny sisiny ilay fiarabe, nilamina soa aman-tsara ny fifamoivoizana. Afaka nandeha tsy nisy mpanelingelina ny fiaran'ny filoha.



3299midi-mg-003851-5850-04072008 Tapatapany
Tapatapany
 - Betafo : nokapaina famaky sy notsindronina lefona. Lehilahy iray 48 taona no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tany amin'ny tanana atao hoe Ambatomainty fokontany Ambohidratsika any Betafo. Nokapaina famaky ny lohany avy eo notsindronina lefona ny tandany. Hatramin'izao, tsy fantatra ny anton'ny namonoana azy.
 - Andian'ankizy mangarom-paosy. Voasambotry ny polisy avy ao Betafo ny andian'ankizy miisa efatra, 13 taona ka hatramin'ny 15 taona mangarom-paosy amin'ny andro tsena. Ny vola sy ny fiday no tena alain'izy ireo. Voasambotra niaraka taminy koa ny lehilahy iray 40 taona mpaniraka azy. Tamin'ny famotorana no nahalalana fa avy any Antsirabe ry zalahy ireto. Ankizy avy amina fianakaviana tsy dia sahirana loatra izy ireo ary mipetraka any amin'ny faritry ny tsena Asabotsy. Mpikambana amina tambazotra iray eto Antsirabe izy ireo.
 - Mpitarika posy hita faty. Faty nihohoka tao anaty taninanandrano no hitan'ny olona teny amin'ny faritr'Andranovisy. Izany Ra-Jeanba izany no anarany ary mpitarika posy no asany. Efa tsy nisy afa-tsy silipo sisa teny aminy. Ny akanjony dia 20m niala ny vatana mangatsiakany no nipetraka.
Lova 


3310midi-mg-003863-5865-05072008 Vazaha nahafaty olona nitolo-batana
Mahajanga. Mpirahalahy, samy vazaha, no indray notadiavina rehefa nahafaty olona. Ny iray vetivety dia sarona. Ilay faharoa kosa nitolo-batana, iray volana taty aoriana. 
Vazaha nahafaty olona nitolo-batana
Nandeha ny fikarohana azy nanomboka ny fiandohan'ny jiona teo noho ny fikasihan-tanana niafara tamin'ny fahafatesana (coup mortel). Tsy vitan'izay fa efa naely eran'ny seranam-piaramanidina sy sy seranan-tsambo ihany koa ny sary sy ny anarany mba tsy hahazoany mivoaka eto amin'ny nosy. Iray volana taty aoriana anefa, asa na leo ny fiafenana, fa dia nitolo-batana teny amin'ny zandary tao Mahajanga izy. Tazonina ao izy ary hatolotra ny Fampanoavana aorian'ny famotorana. Raha hiverenana dia fifamaliana kely no niafara tamin'ny vonoan'olona. Samy vazaha no tomponandraikitra tamin'izany. Vazaha tonga nanao vakansy teto Madagasikara ilay niharan-doza. Nifamaly tamin'ny vazaha iray - sy ny rahalahiny - izay nampiantrano azy izy. Raikitra ny fifanjevoana ary nisy ny naratra.
Samy Frantsay
Efa samy mamo rahateo ireo tamin'io fotoana io. Saika samy nitondra faisana kely avokoa izy telo lahy tao anatin'io savorovoro io. Nisaraka ihany nony avy eo ary samy nody. Saingy ny iray tamin'ireo, vao tonga kelikely tany aminy, dia nivoaka rà ny orony. Nentina avy hatrany tany amin'ny hopitaly io farany. Vao tonga kelikely anefa dia tsy tana ny ainy. Raha ny filazan'ny mpitsabo dia fahatapahana lalan-drà tany anaty lohany no nitarika ny fahafatesany. Nandeha avy hatrany ny fisamboran'ny zandary. Ny iray tamin'ireo mpirahalahy aloha no sarona teo. Ilay faharoa kosa tafatsoaka ary tsy hita mihitsy izay nisy azy, na teo aza ny fikarohana. Raha araka ny fantatra, dia teratany Frantsay manana orinasa goavana any Frantsa ilay namoy ny ainy. Efa samy eny am-pelantanan'ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nahavanon-doza.
Didi  R. 


3310midi-mg-003864-5866-05072008 Miaramila hatolotra ny Fitsarana nanjavona
ANOSY
Miaramila hatolotra ny Fitsarana nanjavona
Tsy hita hatramin'izao izay nanjavonan'ireo miaramila roalahy tokony hatolotra ny Fitsarana. Voarohirohy amina raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona izy roalahy ireo. Efa nofotorana teny amin'ny sampana misahana izany teny Anosy izy ireo, ary tokony hatolotra ny Fampanoavana saingy izao tsy hita izao.
Talohan'ny 26 jona no niseho ny raharaha. Nitsoaka ny raiamandreniny ny tovovavy iray vao 15 taona monja. Efa ho herinandro izy no tsy hita. Nirenireny teny Ampahibe teny izy (toerana izay iasan'ireto miaramila voarohirohy ireto), nandritra izay fotoana tsy nodiany izay. Hitan'izy roalahy ka nantsoiny ary nentiny natory tao amin'ny infirmerie. Ny iray no nanao firaisana taminy fa ny iray kosa nitazana fotsiny. Taorian'izay dia nody ihany razazavavy ary nitantara ny nanjo azy tamin'ny raiamandreniny. Nitory teny amin'ny polisy ireto farany ary niafara tamin'ny fisamborana azy roalahy.
Nanjavona
Nampahafantarina ny zava-misy ny lehiben'ireto miaramila ireto ary nampiantso azy ireo koa. Tonga ny fotoana hanolorana azy ireo eny amin'ny Fampanoavana, ka tamin'izay indrindra no nisehoana zavatra tsy mazava. Nasain'ny lehibeny nody nisolo akanjo (hanala ny fanamiana maha miaramila) izy roalahy ary tany dia tsy nipoitra intsony. Nisy miaramila hafa anefa nampiambenana azy ireo. Hatramin'izao dia tsy tonga teny amin'ny Fitsarana ny raharaha. Ilay miaramila tsy nanao firaisana tamin'ilay zazavavy no efa tonga nitolo-tena tany amin'ny polisy afakomaly. Ilay tena voarohirohy ho nanolana no tsy hita izay nanjavonany.
Miaramila miasa eny Ampahibe izy roalahy ireto ary irony antsoina hoe zazavao irony. Efa nisy taratasy fiantsoana hafa nalefa indray eny amin'ny toeram-piasany ka asa na hipoitra ihany izy ireo na tsia.



3310midi-mg-003865-5867-05072008 Hankalaza ny Alahadin'ny Mpitandrina
Atsimon'Imahamasina
Hankalaza ny Alahadin'ny Mpitandrina
 Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, nefa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa taminay . Io tenin'Andriamanitra io no fototra iaingan'ny Alahadin'ny Mpitandrina ao amin'ny FJKM Atsimon'Imahamasina izay hotontosaina rahampitso alahady 6 jolay. Andro lehibe ho an'ny Fiangonana tokoa moa izany satria dia mifanandrify ihany koa amin'ny faha 33 taona niarahan'ny Mpitandrina Rakotomanana Jean Roussel mianakavy sy ny Fiangonana. Hiditra indroa ny fiangonana ka ny voalohany dia amin'ny 7 ora latsaka fahefany ary ny faharoa kosa amin'ny 9 ora sy sasany. Antsoina, araka izany, ny hery velon'ny Fiangonana sy ny zanaka ampielezana mba ho tonga hankalaza an'Andriamanitra sy haneho fitiavana ho an'ny mpanompon'Andriamanitra izay nampiasainy hitaiza ny fanahy nandritra izay taona maro izay. Ny tolakandro dia hisy rindran-kira ara-pilazantsara ahitana ny zanaky ny Fiangonana sy ireo nasaina.
R.Edmond 


3310midi-mg-003866-5868-05072008 Dimy taona an-tranomaizina
Pety
Dimy taona an-tranomaizina
Tsy neken'ny Fitsarana Ambony ny fangatahana nataon'i Pety Rakotoniaina, momba ny raharaha halatra fiaram-panjakana. Notazonina, araka izany, ilay sazy an-tranomaizina dimy taona izay niampangana azy. Mbola any amin'ny Fitsarana an-tampony kosa amin'izao fotoana ny momba ilay firaisany tsikombakomba amin'ny fanonganam-panjakana izay vao nahazoany folo taona sazy an-terivozona. 
D.R 


3332midi-mg-003889-5892-07072008 Tous les résultats
Tous les résultats
Voici tous les résultats des championnats des jeunes du Vakinankaratra disputés depuis jeudi sur les courts de la COTONA et au Arotel.
Filles
- Pépinières : Raharimalala Ericka bat Razafimahatratra Oliva par 5/0 ; 5/0
- Poussines : Sadya (SACIMEM) bat Anjatiana (COSRM) par 5/1 ; 5/2
- Benjamines : Tafita Ratsimbazafy bat Winna Andrianosoavimbahoaka  en deux sets (6/1 ; 6/4)
- Minimes : Andriamahery Alaya (SACIMEM) bat Andrianosoavimbahoaka Winna en trois sets (7/6 ; 3/6 ; 6/4)
- Cadettes :Tafita Ratsimbazafy bat Natacha Rabarijaona (COTONA) en deux sets (6/1 ; 6/3)
- Juniors filles : Rabarijaona Natacha bat Safidy Randrianarilala en deux sets (6/3 ; 6/3)
Garçons
- Pépinières : Razafitrimo Zo bat Kevin par 5/1 ; 5/1
- Poussins : Miharisoa Rasolofojaona bat Sandatiana Razafindramboa par 5/1 ; 5/0
- Benjamins : Andry Rasamoelina bat Prince Razafimahatra en trois sets (6/1 : 6/7 ; 6/1)
- Minimes : Razafison Mamitiana (SACIMEM) bat Tojo Ramarosandratana en deux sets (6/4 ; 6/3)
- Cadets : Andrianosoavimbahoaka Ange bat Hasina Randrianary en deux sets (6/4 ; 6/4)
- Juniors : Andriatsiory Anjara bat Ramangasoavina Manda en trois sets (6/3 ; 1/6 ; 6/3)
Cahier Sports 

3332midi-mg-003890-5893-07072008 Tsy naleviny ny fatin-janany fa nampatoriana teo akaikiny
HAFAKELY. Indraindray dia kilasian'ny manampahaizana ho olona tsy salama saina izay manao ny tsy fanaon'ny olona.
Tsy naleviny ny fatin-janany fa nampatoriana teo akaikiny
Nandritra ny roa herinandro, nampatorian'ity rangahy iray teo akaikiny foana ny fatin-janany. Vao niditra ny tranony ny fikonolona dia fofona ratsy no re.
Tany amin'ny tanana atao hoe Ambodiangezoka kaominina Sahamena any Andapa no nisehoan'ity zavatra mampalahelo ity. Tamin'ny sabotsy lasa teo vao hita ny zavatra nafenin'ity lahilahy iray 38 taona. Tsy mba miara-monina amin'ny maro izy fa nanorim-ponenana any anaty ala. Na mamboly aza izy dia fantatra fa mangalatra ny varin'ny olona no ataony. Efa mahina amin'ny fihetsiny ny mponina. Tamin'io sabotsy io, niakatra tany an-tanana ny anao lahy. Avy hatrany dia nosamborinan'ny olona. Halatra no niampangana azy tamin'izay.
Kapoka
Samy tsy nisy nanampo ny hahita razana efa simba ao an-tranony ireo solontenan'ny fokonolona nandeha tany anaty ala fonenan'ity lehilahy sy ny zanany. Hijery ireo vary nangalariny no anton-dia. Hita tao tokoa ny vary halatra. Fa ankoatra izany, io ny fatin'ilay ankizy efa manomboka mihitsana ny nofony. Raha nanontaniana ity nahavanona izao zavatra tsy hain'ny saina eritreretina ity dia namaly izy fa noho ny kapoka nataony an'ilay zanany no nahafaty ity farany. Samy gaga sy talanjona ny rehetra. Nahoana no tsy naleviny ? Tsy hita be ihany ny valintenin'ity olona ity.
Araka ny vaovao dia nisy zanany hafa folo taona niara-niasa taminy tany anaty ala tany. Rehefa hariva kosa anefa ny andro dia mamonjy tanana lehibe izy io fa tsy mandry an-tsaha. Tsy niaraka natory tamin'ilay razana.  Io zanany lehibe io no nanatri-maso ny nikapohan'ilay rainy ny zandriny. Kapoka izay nitarika ny fahafatesana. Ny mahavariana koa anefa, tsy mba niteniteny tany an-tanana izy fa voatazony hatramin'ny farany ny tsiambaratelon'ny rainy.
Noho ny tahotra ny manampahefana ve no tsy nandevenan'ity olona ity ilay zanany sa zavatra hafa mihitsy. Efa naterin'ny fokonolona any amin'ny mpitandro filaminana izy. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy rangahy.
Mamy A. 
Lire aussi - Imerintsiatosika : Olona 12 nosamborina, fiara 4 sy trano iray may - Lozam-pifamoivoizana : Olona iray namoy ny ainy 


3332midi-mg-003891-5894-07072008 Olona 12 nosamborina, fiara 4 sy trano iray may
Imerintsiatosika
Olona 12 nosamborina, fiara 4 sy trano iray may
Tamin'ny alin'ny zoma lasa teo, nisy fihetseham-bahoaka nahery vaika tao amin'ny tananan'Imerintsiatosika. Trano lehibe iray misy rihana roa no kilan'ny afo tanteraka, fiara efatra ihany koa no may. Tamin'io alina io ihany dia olona 12 no nosamborin'ny mpitandro filaminana. Ny sabotsy, nohenoina tao amin'ny biraon'ny zandary avokoa ireo olona ireo. Mikasika ity hetsika mahery ity no nandraofana azy ireo. Rehefa vita ny fanadihadiana azy ireo dia nalefa nody avokoa. Tsy navela hivoaka ny tanana na handeha lavitra kosa anefa izy ireo.
Lonilony
Fianakaviana iray monina eo akaikin'ny tsena no lasibatra tamin'io andro zoma io. Maro dia maro ny resaka re teny an-toerana mikasika ity zavatra ity. Hampangain'ny mponina ho mpangala-jaza ity fianakaviana ity. Tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ny tomponandrikitry ny filaminana anefa dia nilaza izy fa tsy dia hita loatra ny porofo mikasika izany zavatra izany. Ny resaka nifanaovana tamin'ny olona vitsivitsy teo an-tanana kosa dia nampibaribary fa lonilony eo amin'ny fiaraha-monina no rangory fototry ny afo. Mikasika ireo zaza indray, efa tamin'ny alakamisy izy ireo no nohidin'ilay ramatao tao an-tranony, araka ny vaovao nomena anay. Nolazain'ilay vehivavy fa mangalangalatra ao an-tokotaniny ireo ankizy ireo ka izany no nitazonany azy. Izany fihetsika izany no nahatonga ny fahatezeran'ny mponina.
Ankizy enina no voahidy tao amin'ilay trano ary ny zoma hariva no navoaka avy tao.




Antoko TIM
Tafapetraka ny rafitra, manomboka ny asa
Afapo tamin'ny vokatra ny TIM. Toerana maro no lasany. Na dia mbola tsy vokatra ofisialy aza no hita, dia efa manana toky ny antoko Tiako I Madagasikara fa hibata ny amboara maro nandritra ny fifidianana farany teo. Omaly hariva dia nihaona tetsy Ankorondrano ireo birao politikan'ny TIM, izay nandinika ny vokatry ny latsa-bato nataon'ny Malagasy ny alahady teo. Nandritra io ihany koa ny nisaoran'ny mpitarika ity antoko ity ny vahoaka Malagasy nanefa ampilaminana ny safidiny. Vita iny ny dingana manaraka amin'ny fametrahana ny rafitra voalazan'ny lalàm-panorenana, ary manomboka ny fampandrosoana ho an'ity antoko ity.
Fiaraha-miasa amin'ny vahoaka no tanjona, mba tena hiainga any amin'ny faritra ny asa ho atao. Ny TIM no maro an'isa amin'ireo rafitra isan'ambaratongam-pahefana, ary dia ho tafapetraka haingana ireo tetika hialana amin'ny fahantrana. Saika tazana teny avokoa ireo birao politika nyTIM izay notarihan'ny filohany Ivohasina Razafimahefa.




Ambinany-Vohémar
Lehilahy maty novonoin'ny fokonolona
Lehilahy iray indray no maty novonoin'ny fokonolona tany amin'ny fokontanin'Anjana, kominina Ambinany-Andravory, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Tamin'ny marainan'ny alahady lasa teo dia nanao herisetra sy nanendaka tovovavy roa avy any Ampanefena ity lehilahy ity. Tany amin'ny toerana mangina, 45 km miala ny renivohitry ny kaominina moa no nodarohany sy nodakany ireo tovovavy izay nikasa hanao vakansin'ny Paska tany amin'ny ray aman-dreniny tany Ambinany-Andravory.
Naratra mafy tokoa ireo tovovavy roa (18 sy 16 taona) ary torana tsy nahatsiaro tena vokatry ny vono nahazo azy ireo. Voatery naiditra hopitaly any Sambava moa izy roa vavy. Ilay lehilahy nahavanon-doza kosa tsy lasa lavitra akory dia tratry ny fokonolona ka nataon'izy ireo tsy tafavoaka velona. Nony niaiky ilay lehilahy fa namono ireo tovovavy roa dia novonoin'ny fokonolona.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vatan-dehilahy teo amin'ny 200 teo ho eo no niara-namono ity lehilahy nampiasa herisetra ity ka nitarika ny fahafatesany mihitsy. Nahanton'ny fokonolona teo amin'ny tsangam-bato moa ny fatin'ilay lehilahy nandra-piandry ny zandary izay nanao fitsirihana ny razana.
Tsy ara-dalàna moa ny « fitsaram-bahoaka » tahaka izao na dia voaporofo aza fa namono olona ilay lehilahy. Anjaran'ny manam-pahefana mantsy no mamoaka ny sazy sahaza ireny olon-dratsy ireny. Na izany aza mandeha ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana mikasika ity raharaha ity.




Antsirabe
Miverina ny lazan'ny fetin'ny Paska
Miha miverina amin'ny laoniny ny fetin'ny Paska ao Antsirabe. Tsiahivina fa nalaza indrindra teto Madagasikara ny tao Antsirabe isan-taona. Nanomboka nosangisangian'ny raharaha politika anefa izany taorian'ny taona 1985 tany ho any ka zary tsy nahatamàna ny mpitsidika intsony.
Be politika
Nihapotika ny tanàna. Tsy nahatanteraka ny adidiny ny mpitondra nifandimby. An'ny Arema moa ny tanàna tamin'izany fotoana izany ka anjaran'ny malagasy no mitsara ny fitondràny. Niha nahantra ny vahoakan'Antsirabe ka raraka ho azy ilay voninahitry ny Paska.
Sarotra ny fitaterana
Misondrotra sahady ny saran-dàlana mankany amin'ny faritra Vakinankaratra amin'izao herinandro alohan'ny fetin'ny Paska izao. Tsy mahagaga io ! Toy ny tsy misy fety any Antsirabe, raha tsy sarotra ny fitaterana. Efa mananika ny Ar. 10000 ny saran-dàlana miainga avy eto Antananarivo, mankany Antsirabe, omaly, raha Ar. 7000 amin'ny andavanandro. Azo antoka fa mbola hisondrotra io. Tsy ampy ny fiara ka ifandrombahana ny etsy amin'ny fasan'ny karana. Efa vakansy rahateo ny mpianatra ka araraotin'ireo mpanao fitaterana. Anisan'ny nampihemotra ny mpamonjy paska any an-toerana io. Ny tena loza dia tsy mitondra tapa-dàlana ry zalahy ka raha hiala eo Ambatolampy ny mpandeha, dia saran-dàlana toy ny mankany Antsirabe no aloa.
Tsy mahavaha olana
Tompon'andraikitra amin'izany ny mpitondra fanjakana. Tsy mbola nisy ny vahaolana tamin'ity fitaterana ity.
Ny ben'ny tanànan'Antsirabe I no nikaroka vahaolana, saingy toa tsy nahitam-bokany hatramin'izao.
Na izany aza dia tsy azo lavina fa miverina tsikelikely ny lazan'ny paska any an-toerana. Efa eo am-pikarakarana ny fety ny kaominina amin'izao fotoana izao. Milamina ihany koa ny eny Tritriva sy Andraikiba sns...




Praiminisitra Rabemananjara
Tsy hitatitra fa hiasa
Ny vokatry ny latsa-bato 94% no efa azo. Nilamina sy nanjaka ny fahendren'ny vahoaka Malagasy, ary mendrim-piderana izay fahendrena izay.
Io ny fisaorana nataon'ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta omaly raha nitatitra tamin'ny mpanao gazety tetsy Anosy izy omaly. Tsy manao tatitra fotsiny ny fanjakana fa hiasa, ary isan'ny tsy maintsy himasoana ny resaka fandriam-pahalemana. Isan'ny fositra lehibe tsy mampahomby ny fampandrosoana io. ny asa anefa tsy maintsy hirosoana. Raha ny momba ny fifidianana manokana dia voalaza fa efa mananika ny 49% ny salam-pahavitrihan'ny mpifidy raha io omaly io. Midika izany fa vonona ny vahoaka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny faritra. Niantso ny rehetra ho tony amin'ny fanehoan-kevitra ny rehetra ny Praiminisitra. Voaresaka ny momba ny fanendrena ny lehiben'ny faritra fa tsy ho fidiana. Ny vidin-tsolika izay niakatra, dia nambaran'ny lehiben'ny Governemanta fa zava-misy hiainan'ny firenena io, ary dia tsy maintsy mizaka izany isika.




Rivo Lala Andriatina
Hiorina ny « Fifohazana Apokalipsy »
« Ambarako mazava etoana fa hiorina tsy ho ela ny « Fifohazana Apokalipsy ». Eny Itaosy no hatsangana ». Rivo Lala Andriatina no nilaza izany omaly tamin'ny fihaonana nifanaovana taminy. I Rivo Lala Andriatina dia tsy iza fa mpikambana tao amin'y Fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara izay notarihan'i Pastora Mailhol. Efa nilaza ny fialany tao amin'ity fiangonana ity izy tamin'ny volana jona 2007. Ary dia izao tapakevitra hanorina Fiangonana vaovao izao. Nilaza moa izy fa nahazo faminaniana avy amin'ny Fanahy « Adonai Elohim » izay azo adika hoe « Ilay Nahary ». Toy izao ny fanambarany. « Ho tsara sy hilamina ny eto amin'ny firenena amin'ity 2008 ity. Ny taona 2009 kosa dia hisy ireo olona vitsy hitarika korontana ka hiafara amin'ny fanonganam-panjakana (...) »
Ny momba an'i Pastora Mailhol dia nasiana teny manokana fa tsy mitombina velively ny filazan'ity farany fa izy no ho lasa filoham-pirenena.
Nangonin'i Herimanda R.




Tandremo tsy mahavaha olana
Feno tanteraka ny fahefana eo ampelan-tanan'ny antoko matanjaka dia ny TIM izany. Rakotra azy avokoa ny ambaratongam-pahefana rehetra, eny fa na eny anivon'ny fokontany sy ny fiangonana aza.
Inona intsony ny sakana mbola tsy afahana miroso mametraka ny rafitra hampandeha ny MAP ? Miandry ny fifidianana izay ho loholona sisa dia feno ny fepetra rehetra, ary atomboy ny asa isaky ny faritra fa miandry ny vahoaka. Manjaka tokana ny TIM. Resy ny mpanohitra noho ny tsy fahitana azy ireo intsony any anaty andrim-panjakana rehetra any. Izay mba tavela toa nanara-drenirano. Ny aty ivelany tsy sahy miseho masoandro.
Tetikasa maro no napetraky ny TIM niainga tamin'ny fifidianana izay ho filohan'ny repoblika ny taona 2006. Nahitsy ny lalampanorenana fa tsy afahana miasa tsara ny teo ampelan-tanana, ary dia nambara fa lany tamin'isambato 41%. Naroso mialohan'ny fotoana ny fifidianana izay ho depiote voarombaka ny seza 106 amin'ny toerana 127. Notohizana tamin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanana ka kaominina 997 no tafiditry ny TIM. Ny ambiny dia saika ny tsy miankina no nahazo azy, raha takona tanteraka ny antoko politika.
Dia mbola mananika ny 50% indray ny sala-pahavitrihan'ny vahoaka ny alahady teo, ary mbola 140 ny seza amin'ny 147 no azon'ity antoko iray ity. Marina fa vokatra tsy mbola ofisialy io, saingy antenaina fa tsy hiena fa hitombo aza.
Midika io fa andeha ho azy ny fifidianana izay ho loholona ho an'ireo mpifidy vaventy, satria ny TIM no maro an'isa. Feno ny fahefana, ary tandremo sao tsy maha-vaha olana na ahilika any amin'ny vidin'ny solika miakatra indray ny mety ho tsy fahombiazana.




Tsy misy intsony ny salotraina
Tsy vitan'ny fambolena ny fampiakarana ny fari-piainan'ny vahoaka. Firy taona izay nefa toa mbola izao ihany ny mahazo ny tantsaha malagasy ? Miakatra ny vidin'ny solika, ary hanaraka azy io ny fiakatry ny vidim-piainana.
Manoloana ny tenin'ny Praiministra lehiben'ny Governemanta milaza fa tokony hilofo amin'ny fambolena isika, mba hialana amin'ny fidangan'ny vidim-piainana, dia gaga ny maro mandre izany. Toa tsy misy salotraina mba hiarovana ny fiainan'ny mponina intsony. Ny saran-dàlana mandrangaranga ny hampiakatra azy ny mpitatitra. Ny mofo mba solon'ny vary hanao ny azy. Ny hofan-trano tsy ferana intsony. Ny fambolena ve ahafaka io fahorian'ny mponina io ? Ny tantsaha aza ireo majifan'ny mpangalatra izay kely mba hananany. Ny maika dia ny fepetra tsy hiakaran'ny saran-dàlana, na ny fijerena ifotony ny tsy hiakaran'ny PPN. Toa fialana bala hatrany no hita eo, ka ny sehatra amin'ny lafiny sosialy mihitsy no tsy hita.
Matoa napetraky ny vahoaka eo ianareo mpitondra dia ny hamaha olana, fa tsy hanilika andraikitra. Feno izao ny fepetra sy fahefana eo aminareo mpitondra ka inona indray no tsy ahavitana ny manala ny fahoriam-bahoaka ? Sa vita ny latsa-bato, dia samy mitady no mety ?




Gisele Rabesahala
Misy mamingavinga ny tia tanindrazana
« Diso ny filazana fa fanapotehana ny MDRM sy ny tia tanindrazana ny 29 martsa 1947. Nahoana no hiniana disoina ny tantara, ka ahilika tsy hipetraka ho tia ny tanindrazana ireo mpitolona tamin'izany ?
Tsy anjarantsika taranaka aty aoriana no mandiso ireo ray aman-dreny namoy ny ainy nandritra izany tolona izany. Ny Fifanampiana malagasy izay tarihiko », hoy ramatoa Gisele Rabesahala, « dia mampatsiahy ny 29 martsa fa andro natokana ahatsiarovana ireo namoy ny ainy nandritra ireny ady nifanaovana tamin'ny mpanjanatany ireny. Maro ny ra latsaka, ary apetraka ho andro hankalazana ny herimpon'ireo tia tanindrazana rehetra, izay niady ho amin'ny fahaleovan-tena ho an'i Madagasikara. Hampahatsiavina eo imason'izao tontolo izao, fa niady ho an'ny tanindrazana ireo zoky ray aman-dreny tany aloha ».
« Manameloka ny tenin'ny Otrikafo sy ireo milaza ho taranaky ny MDRM izay milaza fa mpamadika ireo niady tamin'iny vaninandro iny. Ekena fa nisy hevitra tsy nitovizana tamin'izany, indrindra teo amin'ny tanora. Aoka tsy ho vingavingaina ny ran'ireo mahery fo », hoy ny filohan'ny fifanampiana Malagasy.
« Izay indrindra no nijoroan'ity fikambanana Fifanampiana Malagasy ity, izay nitaky ny famotsoran-keloka faobe ho an'ireo voarohirohy tamin'izany. Tsy ekena ny fiampangana ny MDRM, JINA, Panama, na ireo rehetra nigadra ho mpamadika, satria izay no nitakiana ny « aministie » faobe nataonay tamin'izany. Hatramin'izao, dia tsy mankasitraka ny fanavakavahana sy ny fiampangana bontolo, fanaratsiana sy fanalam-baraka ireo tia tanindrazana ireo. Izay no tokony hankalazana ny vaninandro namoizana ireo martioran'ny firenena toy ny 29 martsa ».
Momba ny filazana fa tsy fasan'ny mahery fo ny etsy Ambohitsaina, dia nampahatsiahy ramatoa Gisele Rabesahala, fa antsika ary an'ny Malagasy rehetra. Tsy tokony handrora mitsilany isika malagasy, ary mbola mitaona ny maro hankalaza io andro manan-tantara tsy hay kosehina io isika Malagasy.




Faratsiho
Vazaha maty nilatsaham-baratra
Lehilahy iray 50 taona no maty irery tao anatin'ny lakan-drano tao Faratsiho, anatin'ny faritra Vakinankaratra. Tamin'ny talata no hita ny fatin'ity lehilahy ity. Voamarika araka ny vaovao azo fa vokatry ny hasemporana sy havizanana no nahafaty an-drangahy. Ankoatr'izay dia ankizy vazaha anankiroa no nilatsaham-baratra, tao Faratsiho ihany. Nilatsaka teny amin'ny tapenaky ny trano ny varatra ka namaky ny rindrina ary niantefa teny amin'izy mianadahy. Maty tsy tra-drano ilay zazalahy fa ilay zazavavy kosa tsy misy ahiana na dia naratra aza ny lohany. Mbola ao anatin'ny fotoam-pahavaratra tanteraka ny ao Faratsiho ary tao anatin'ny oram-baratra nikija no nisehoan'ny loza.




Amborompotsy-Talatamaty
Tovolahy 17 taona nanolana zazavavy 7 taona
Zazavavy vao 7 taona monja no novetavetain'ity tovolahy iray, 17 taona, teny Amborompotsy-Talatamaty. Toy ny ankizy tezaina ao an-trano no nandraisan'ireo ray aman-dreny nampiantrano azy kinanjo nivadika biby ny anao lahy. Ilay zazavavy kely tao an-trano izay nokarakarainy no naolany ary simba tanteraka.
Araka ny vaovao azonay, dia efa nanolana zazavavy iray hafa (manodidina ny 7 taona teo ihany koa) izy ity , volana vitsivitsy lasa izay, saingy tsy sahy nitantara tamin'ny ray aman-dreniny ilay zaza. Efa nifindra tany Manakara moa izy ireo vao nilaza ny nanjo azy ilay zaza. Fianakavian'ireo olona nipetrahany teo aloha moa no nandray ity tovolahy teny Amborompotsy, ary dia izao nanaovany habibiana hafa izao indray.
Tsy nampoizin'ilay fianakaviana tokoa ny zava-nitranga, satria tovolahy tsotra sady hendry no fijery ilay tovolahy kinanjo nahavita zavatra mamoafady tamin'ilay zazavavikely. Nambaran'ilay tovolahy moa fa tsy fantany akory izay antony nahatonga azy nanolana ilay zaza. Nilaza izy fa tsy manana sakaiza fa dia nanandrakandrana tamin'ireo zazavavy roa. Tsy ampy azy ny nataony tamin'ilay zaza voalohany izay lasa any Manakara ka dia nokarakarainy indray ity zaza iray hafa, eny fa na dia ao an-trano aza ny ray aman-drenin'ilay zaza. Nambaran'ilay tovolahy mantsy fa tao ambany rihana ireto farany fa tany amin'ny efitra ambony kosa izy no nametaveta ilay zaza. Soa fa nitaraina tamin'ny reniny ilay zaza. Nony nentina tany amin'ny dokotera moa ireo zaza dia voaporofo fa efa simba tanteraka vokatry ny fanolanana nahazo azy ireo. Afak'omaly no nosamborin'ny zandary avy ao amin'ny borigadin'i Talatamaty ity tovolahy ity ary nentina tao amin'ny fampanoavana, omaly.
Araka ny fanampim-baovao azonay, dia efa nangalatra vola Ar 200.000 ity tovolahy ity tao amin'ny patiraony teo aloha saingy nifona ary namerina ny vola very ka afaka teny anivon'ny fitsarana. Zao dia nanao ditra mamoafady indray izy. Avy any Vinaninony - Faratsiho moa ity tovolahy ity ary nila ravinahitra no niakarany teto an-drenivohitra.




Dimy taona lasa izay no nandaozanao anay.
Tsy ho maty mandrakizay ao am-ponay ny fahatsiarovana anao.
Mandria am-piadanana
Hoy :
Ny vadinao :
Rahaingoarivony Bodo Emilienne
Ny zanakao :
Nancy sy Francis Schuwey
Voahangy sy Simon Klimaszewski
Nirina sy Cyrille Christen
Ny zafinao :
Nelly, Maeva
ary ny fianakaviana rehetra aty Madagasikara, any Suisse, sy France.
« Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Ianao Jehovah ô no mampitoetra ahy ».
(Salamo 4-8).




Matoritory manana aretina
Feno ny vokatra, nioty izay nafafy ny kandida tsirairay. Vita iny ny fifidianana izay ho mpanolontsaim-paritra ary manomboka ny fandraisana andraikitra ho an'itony olom-boafidy itony.
Mety ho mahafaly ny mpitondra ny nandre ny salam-pahavitrian'ny mpifidy, sy ny vato azon'ny antokony, saingy misy afo tsy maty mety handoro ny firenena mila dinihana haingana ao. Ny tarehi-marika mitoetra, fa ny hitan'ny mason'ny vahoaka tsy azo kosehana.
Tsy vitan'ny fandresena tamin'ny latsa-bato ny fiai nana. Nanjaka ny vato fotsy izay tsy azo hodiana tsy hita. Ny fahavitsian'ny mpifidy ilaina fandresen-dahatra goavana ny fiarahana mametraka ny faritra. Ny mpanao politika izay tsy mitsahatra maneho ny fomba fijeriny, dia tsy azo atao ambany maso tsy hita. Manampy trotraka ireo ny fandrenesana fa niakatra ny solika, ary kanefa dia tsy misy ny aro riaka napetraky ny fanjakana, hisorohana ny fidangan'ny vidim-piainana. Mandrangaranga hampiakatra ny saran-dàlana ny mpitatitra, ary mamely indray ny kere any atsimo. Andraikitra mila valiny amin'ny mpitondra ireo, ary tsy hifanilihana andraikitra. Aoka tsy hatoritory manana aretina isika, sao midodaka ny afo vao samy ho taitra. Dia mirary fety sambatra e.




Amin'ny finoana sy fanantenana amin' ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 20 Mars 2008, rehefa nivahiny 67 taona teto an-tany
Hoy
Ny Vadiny :
RAZANABOLOLONA Bakolinirina
Ny Zanany :
RANDRIANANDRASANA Manase sy Hary
RANDRIANANDRASANA Euphraime
RAMAHANDRY Yves sy Vololonirina Nambinintsoa Fanantenana
RANDRIANANDRASANA Valery
RANDRIANANDRASANA Tiana Fabien
Ny Taizany :
RABAKOARIMISA Liva sy Vola
Ny Zafiny :
Toky, Liantsoa, Avotra
Ny Rafozany :
RAKOTOFIRINGA Daniel mivady
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fiangonana sy ny fokontany
Ny nofony dia hiala ao Ambondrona lot II D 30 ny Alatsinainy 24 Mars 2008 amin'ny 12 ora antoandro , ary ho entina anomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy atao veloma farany ao amin'ny FJKM Tranovato SAMBORATO alohan'ny hametrahana ny nofony ao amin'ny fasandrazany Atoby Ambohijanaka.
« Ary ny zanako sy ny asany tanako dia aoka adidiko ihany ».
(Isaia 45 - 11)
« Soa ihany aho nampahoriana mba hianarako ny didinao ».
(Salamo 119 - 71)




Taratasin'ny mpamaky
Raharaha 1947 : Aoka hazava !
« Fanazavana fanampiny kely no arosoko : ny raibeko dia nobedain'ny sônegaly tao an-tranony tamin'ny 1947, saika tsy ren'ny renibeko akory ny fisamborana azy satria avy hatrany dia notampenanana ny vavany, raha tsy nodakany mafy ny varavarana iray hikaratoka. Ny tongony atsofoky ny mpisambotra azy ao anaty fiara sisa tazan-drenibeko, dia tsy nihaona intsony izy mivady raha tsy roa taona taorian'izay. Nampidirina am-ponja tao Antanimora izy, tsy nisy fiampangana na fitsarana raha tsy diso aho. Nanateran'ny fianakaviana teto Antananarivo sakafo isan'andro izy tao, saingy tsy nahazo nifanatri-tava taminy ny mpanati-kanina. Madio tsara ny lovia miverina isan'andro... Fa rehefa nampanantsoina ny fianakaviana haka azy fa « tsy salama loatra » izy, dia taolana mifono hoditra sisa no noraisina (état de dénutrition terminale), nentina nody tany Antsirabe hiala aina tany izy... ary nalevina ny 27 martsa 1949, tononandro nahaterahako... Ny raiko koa dia nitantara izao zavatra izao : nisy commissaire de police frantsay izay tafaraka taminy tany Diégo-Suarez tany amin'ny taona 1942-43 tany ho any. Narary mafy saika maty ny zanak'io vazaha io, tsy hitan'ny dokotera vazaha ny aretiny. Ny raiko no nitsabo ilay zaza (maladie tropicale no nahazo azy ka fantany tsara) ary sitrany. Io vazaha io no nampandre azy fa ao anatin'ny lisitry ny olona hovonoina izy ka noferany tsy handry ao an-trano. Nanavotra ny ain-janany ka mba navotany koa ny dadanay...
Ela izay nampanjakan'ny vazaha ny laingany izay ! Tsy maintsy hamarinina ny tantara...
Mbola mamerina ny fankaherezana hatrany amin'ny asa ataonao, fantatra fa tsy mora izany ! Ary mirary fahasalamana mandrakariva ho anao sy ny ankohonanao.
Dia misaotra amin'ny fiaraha-miasa ».
Fara Mananjandry




Lany vola
Vita ny fety, afa-boly ny rehetra. Samy niaina tao anatin'ny fety ny vahoaka malagasy rehetra, ary samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay.
Nahavory vahoaka ny fialam-boly rehetra, ary hita fa tena nifaly ny isam-batan'olona. Midika io fa mila miala voly ny rehetra rehefa reraky ny adin-tsaina isan'andro vaky izao. Lany ny vola ho an'ireo nandray vola mialoha, satria ny fety tsy azo atao ambanin-javatra. Ny sakafo ihany koa tsy atao latsa-danja. Vita iny ny fety fa hanao ahoana indray ny anio sy ny ampitso ? Hiatrika ny adidy maro isan-karazany ny Malagasy.
Miverina daholo ny adin-tsaina isan-karazany. Ny tambesatry ny vidim-piainana tsy azo ialàna. Làlam-piainana io, fa dia atrehana am-pilaminana hoy ny hafa, satria tsy fahafirin'ny efa niainana izany.
Ho an'ireo tsy mba manan-kantenaina kosa dia ny hatsembohan'ny tava anio no hinanana, na dia zara fa mahita harapaka aza. Na ny fetin'ny Paka nandalo aza tsy mba niainana toy ny hafa, fa fahoriana lava no iainana. Mba nanantena fiovàna ho amin'ny tsara, saingy toa vao mainka miha-mangidy andro aman'alina ilay masoandro nantenaina hiposaka. Ny hafa lany vola tamin'ny fety, fa izy ireo kosa ny any fofon'izany vola izany aza tsy nandalo ny paosiny.
Hatreto dia mbola mifanalavitra hatrany ny fiainan'ny manan-katao sy ny ory. Hatramin'ny hoviana anefa no tsy hisy intsony izay elanelana izay ? Miankina amin'ny tsirairay sa ny mpitondra fanjakana ?




Tetezana mitsingevana
Ninian'ny sasany nopotehana
Teraka indray ny fanararaotana fa tonga ny fety. Tany Toamasina ny sabotsy lasa teo no nahitana izany teo amin'ny faritra mihazo any Ambodiatafana.
Raha mbola nizotra antsakany sy andavany ny fandehanana ny tetezana mitsingevana io maraina ny Sabotsy, dia potika tampoka izany ny antoandro.
Vokany dia niakatra avo telo heny ny vola nalaina tamin'ireo fiara mandalo eo ambonin'io tetezana io. Ny fiara vaventy sy ny fiara madinika dia saika tratran'io avokoa. Ny miampita lakana ihany koa dia nahitana fiakarany avokoa, satria tsy nisy latsaky ny telo alina ny olona iray miaraka amin'ny entana. Ny jiro tany amin'io faritra io ihany koa dia tapaka, ka nampitaraina irao vahoaka mba nanantena ny hiaina tao anatin'ny Paska milay.
Na teo aza anefa izany dia tsy nahasakana ny mponina tao Toamasina nilanonana tamin'ny fety isan-karazany, ary samy afa-po ny tsirairay.




Ivandry
Maty voatifitra ny naman'i Dorick
Mbola mafotaka amin'izao fotoana izao ny fikarohana an'i Dorick, ilay jiolahy nikoizana amin'ny fanafihana mitam-basy teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tamin'ny harivan'ny sabotsy lasa teo dia nanomana fanafihana tao amin'ny tokantrano iray teny Ivandry i Dorick sy ny namany miisa efatra eo ho eo, saingy nandamoka izany.
Araka ny vaovao azonay, dia fiara 4L mitovy loko aminn'y taxi no nitondra ireto jiolahy dimy. Nisy nahita nihaodihaody teny amin'ny manodidina ry zalahy ka nisy nampandre avy hatrany ny polisin'ny « brigade criminelle » sy ny GIR (Groupe d'Intervention Rapide). Tonga teny Ivandry, akaikin'ny siniben-drano ny polisin'ny BC sy ny GIR. Tamin'ny 4 ora sy sasany hariva teo ho eo no tonga teny an-toerana ireo jiolahy nandeha fiara 4L. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny polisy, raikitra ny fifampitifirana teo amin'ny an-daniny sy ny an-kilany ka maty voatifitra ny jiolahy roa. Ny iray tamin'ireo moa dia tsy fantatra anarana fa ny iray kosa antsoina hoe Ramorasoa Mamy Hajarivo Paul Jocelyn. taratasy fanamarinana n y nahazoany fahafahana teny am-ponja niaraka tamin'ny kara-panondro no hita teny aminy. Vao avy nivoaka ny fonja mantsy ny lehilahy rehefa avy notanana teny nanomboka ny volana avrily 2006, noho ny raharaha « fitanana basy tsy ara-dalàna », halatra miharo herisetra, fikambanana andian-jiolahy. Mbola tavela teny aminy ihany koa ny basy pistolet MAKAROV iray sy vodi-na bala roa. Ireo bandy telo hafa ka anisan'izany i Dorick kosa dia tafaporitsaka niaraka tamin'ny fiara 4L izay nitondra azy ireo.
Mbola mitohy moa ny fikarohana ataon'ny mpitandro filaminana an'i Dorick, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin'ny faritany ihany koa. Efa matetitetika ihany izay hetsika nataon'ny mpitandro filaminana nisamborana azy izay saingy tafaporitsaka hatrany izy.




Miadam-pamindra
Mandeha ny fotoana, miandry fiovana ny vahoaka. Vanim-potoana nambara ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity. Mihazakazaka toy ny segaondra ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany, na io fidiana mivantana, na tendrena ihany koa. Izay mahasoa ataon'ny mpitondra, hoy ny hafa.
Telo volana sahady izay no lasa nandritra ity taona vaovao ity. Toa tsy mbola hita taratra ny fiovana nandrasan'ny vahoaka. Na ilay asa heverina fa tsy maintsy atao aza toa mbola tsy nitsiry.
Ny vidim-pianana mihazakazaka mafy, ary tsy haraky ny vahoaka madinika ny hafainganam-pandehany. Toa samy mampandry saina ny malagasy ireo mpitondra antsika ny hifehezana io vidim-piainana io tsy hiakatra be loatra, saingy voafehy ve io hatreto ?
Tafapetraka ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry isan-karazany, nitondra inona ho an'ny isan-tokatrano ny fisian'izy ireo ?
Ekena fa tsy natao hameno ny ati-vilan'ny tsirairay izy ireny, saingy toa mihakely herim-pon'ny rehetra manoloana ny fahadisoam-panantenana eo amin'ny vahoaka Malagasy. Miadam-pamindra ny asa, ary mifanohitra amin'ny hambara fa taonan'ny asa ity taona ity. Ny vita omaly potika anio, ary izay potika anio, toa tsy tafarina ampitso. Sarotra ny manangana fa mora ny manimba, izay no tsy tokony hanavahana ny firehan-kevitra samy hafa izay vonona ny hampandroso ny firenena, satria ny tao-trano tsy efan'ny irery. Raha tsy hoe angaha ho dongiana samy irery ny fahefana, fa izay vita dia vita ary ny tsy vita miandry manaraka ?




Fifidianana loholona
Handray anjara ny mpanohitra
Aleo loholona toy izay mpanolontsaim-paritra. Ho avy tsy ho ela ny fifidianana izay ho loholona eto Madagasikara ka mpividy vaventy no handray anjara amin'io. Ny ben'ny tanàna sy ireo mpanolontsaim-paritra vao lany teo no hanefa izany adidy masina izany, ary io hiarahana mahita io ny isan'ny olon'antoko mandrafitra izany.
Fantatra izao fa tsy vitsy ireo kandida avy amin'ny antoko mpanohitra no hisedra ny safidin'ireo mpifidy vaventy ireto. Isan'io ireo loholona mbola amperin'asa hatramin'izao. Ny fandresen-dahatra ireo olona hifidy amin'io daty io no tena himasoan'ny tsirairay. Tsy maintsy handeha ny fanambazana vola be ho azy ireo raha te ahazo ny seza etsy Anosy. Misy koa ireo antoko hafa vonona ny hirotsaka ho fidiana izay mbola ao amin'ny mpanohitra ihany. Tsy hisy kosa ny fifanohanana amin'ny mpanohana ny antokon'ny filoha, dia ny TIM izany. Ny antony dia samy handray anjara avokoa ny TEZA, AME, Grad Iloafo, ny Arema matotra. Izay tsy milatsaka miandry ho tendrena. Ny ao anatin'ny TIM kosa dia maro no heverina fa hilatsaka amin'ny anaran'ny tsy miankina, satria mety tsy ho arotsaky ny antoko. Ho hitantsika atsy ho atsy izy ireo.




Itampolo - Toamasina
Sokatra 253 no sarona
Na dia voararan'ny lalàna aza ny fisamborana sy fihinana sokatra dia mbola misy minia manao izany ihany. Vao tsy ela akory izay dia sokatra miisa 253 no sarona tao amin'ny tanànan'Ilanivato, kominina Itampolo-Toliary. Araka ny vaovao azonay, dia saika nohanina ireo sokatra ireo no tratra, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny tompon'andraikitry ny Rano sy Ala ary ny Fizahan-tany sy ny zandary ary ny ANGAP.
Ny 15 tamin'ireo sokatra ireo moa dia efa nisy nihinana ny tao anatiny fa ny fonony sisa no hita. Tamin'ireo 238 ambiny dia 65 no zana-tsokatra, karazana "radiata", ary ny 80 antsoina hoe "pixus", izay samy sokatra malagasy avokoa. Natokana ao amin'ny toerana voatokana any Betioky ireo sokatra ireo ka arahi-maso mandritra ny 40 andro eo ho eo ny fahasalamany, alohan'ny hamerenana azy any amin'ny faritra arovana itehirizana azy ireo. Eo an-danin'izay dia mitohy ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana mikasika ireo olona 10 voarohirohy amin'ity raharaha-na sokatra ity.




Miala teteza-mita, dia Repoblika faha-4
Faniriana ny an'ny mpanohitra fa ny lahatra an'ny mpitondra fanjakana. Tsy mitsahatra indray ny fangatahana ny rafitra teteza-mita ataon'ny mpanohitra tao ho ao. Isan'ny mangataka io ny Profesora Zafy Albert sy ny namany.
Handamina ny faritra anatin'ny firenena no tanjona, saingy tsy hangataka toerana velively izahay mpanohitra fa mila rafitra miova. Ny mpanohitra manontolo no mitaky io, ary mbola fitakiana ihany koa ny momba ny fampihavanam-pirenena. Re anefa tao anatin'ny andro vitsy izay, fa ny firosoana any amin'ny rafitra tetezamita, dia hiampitàna any amin'ny Repoblika faha-efatra. Mbola tsilian-tsofina navoakan'ny rindrina manan'elatra ihany no nahafantarana, fa tsy mahomby ny Repoblika faha-3 voalohany sy ny tapany faha-2 ka ilaina ny handevenana izany. Raha izao rafitra misy ankehitriny izao dia mbola teteza-mita, saingy izy irery no mandrafitra izany, ka aleo miroso amin'ny Repoblika manaraka. Hatreto aloha dia mora ampitenenana fa sarotra tanterahana ny fanirian'ny sasany. Hatraiza ny hery entina mitaky itony fitakiana itony ? « Ny tanety lava misy hisainana », hoy ny fomba fiteny izay.




Fidangan'ny kojakoja fanaovan-trano
Tsy mampihemotra ny te-hanana
Tranoben'Antananarivo, izay vita aloha no manenina. Toa mifanohitra amin'io fomba fiteny io indray no hita ankehitriny. Izay nahavitamialoha no mitango hofa-trano.
Ny endriky ny trano no mety miova fa ny hamafiny sy ny fomba nentin-drazana kosa dia vidiana lafo ankehitriny.
Ny ho enti-manana dia miakatra andro aman'alina, nefa ny fahefa-mividin'ny mponina io hiarahana mahita io. Ny biriky iray, dia mananika ny 60 ariary ny iray ny simenitra kosa dia mahatratra 23.500 ariary ny iray. Ny fanitso iray metatra sy sasany dia 4000 ariary ny iray. Tsy mampihemotra ny olona te-hanana trano anefa izany, satria dia maro no maka taratasy fahazoan-dàlana eny anivon'ny kaominina hanorina trano. Ny indro kely dia ny olana eo amin'ny fananan-tany. Mivezivezy ireo olona maka ny taratasy fanamarinana ny taniny. Misy aman-taona vao mahazo izany, ka zary mipetra-potsiny ny vola hanorenana ity trano ity. Ny vidin'entana anefa io miakatra andro aman'alina io. Tsy ho gaga isika raha maro ireo trano tsy vita fototra dia miato.
Raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena, dia maro ny manorina tsy ara-dalàna, na ny firafitry ny trano, na ihany koa ny toerana hananganana izany. Ny filoha Ravalomanana aza dia nilaza ny taona lasa iny fa tsy azo omena alàlana intsony ny olona manangana trano raha tsy vita milaloha ny toeram-pivoahana. Rariny io, satria maro ny toerana tsy misy izany. Ny fanorenana trano aloha dia tsy mampihemotra ny tsy manana ny fananganana azy, fa rehefa misy toerana hisitrihan'ny loha dia efa zava-dehibe.
Isan'ny tetika tsara napetraky ny mpitondra teo aloha ny momba ny fananganana « 35.000 logements », saingy toa lasa kobaka am-bava fotsiny io, fa i Mompera Pedro indray no nananika io ny trano vitany. Midika io fa ny sehatra tsy miankina indray no mahavita lavitra noho ny fanjakana. Ny fanirian'ny Malagasy, dia ho tompony fa tsy mpanofa lava izao, saingy aiza anefa ny ho enti-manana ?




Fanafihan-jiolahy tany Ampanefena
Najifan'ny jiolahy ny lelavola 13 tapitrisa
Maizin-kitroka ny tanànan'Ampanefena, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Vokatr'izany dia mahazo vahana ny vaky trano. Saiky isan'andro no maharay fitarainana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tamin'ny faramparan'ny herinandro lasa teo dia mpanangona lavanila iray no nisy nanafika tao amin'ny tanànan'i Tanamandrivo. Tsy naheno na inona na inona ireo tompon-trano raha tsy efa nivoaka ny trano ireo jiolahy.
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa hoe nanao fanafody nampatory ireo mpangalatra ka tsy re tsaika mihitsy. Nodidian'izy ireo ny varavaram-be ka nahafahan'izy ireo niditra an-keriny tao an-trano. Lelavola 13 tapitrisa Ariary no voaroban'ireo jiolahy tao amin'ity tokantrano ity. Ny nampahagaga tamin'ity vaky trano ity dia ny nahitan'ireo jiolahy ny toerana niafina izay nitehirizan'ny tompon-trano ny vola.
Nametraka fitarainana tany amin'ny ZP ny tompon-trano very vola. Nandeha ny fikarohana ka voasambotra ireo olona efatra voarohirohy tamin'ity halatra ity. Taorian'ny famotorana azy ireo dia nentina tany amin'ny fampanoavana tany Vohémar izy efatra ireo ka naiditra am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.




Minisiteran'ny Tontolo iainana, Rano sy Ala ary Fizahan-tany
2/3-n'ny mpizaha tany no mankafy zavaboahary
Sampan-draharaha fahatelo amin'ny fiantohana ny fidiram-bolan'ny fanjakana ny minisiteran'ny tontolo iainana, rano sy ala, ary fizahan-tany. Manana asa betsaka indrindra ao amin'ny MAP izy arak'izany, ka amin'izao ivon'ny fanatanterahana ny MAP izao dia nametraka paik'ady vaovao ny minisitera. Nomarihana nandritra ny fihaonamben'ny mpiasan'ny minisitera, ny teny ampiasaina iantsoana ny minisitera, dia ny MEEFT na « ministère de l'environnement, eau et fôret et du tourisme ».
Hameno ny faritra 22 ny minisitera manomboka izao, ka nomarihan'ny minisitra Randriarimanana Harisson fa tsy hiavaka intsony ny sampan-draharahan'ny fizahan-tany sy ny tontolo iainana ary ny rano sy ala, araka ny voafaritry ny làlam-panorenana.
Madagasikara voajanahary no tanjona ka hampifandrindràna ny tontolo iainana sy ny fizahan-tany.
Iraka ataon'ireo tale vao notendrena ny fanatanterahana ny teny ifanomezana faha 6 sy faha 7 ao amin'ny MAP. Ny fiarovana ny harena voajanahary tsy manampaharoa no asa voalohany. Voakasik'io ny harena na an-tanety na an-dranomasina. Hampitomboina avo 2 na 3 heny ny faritra sy valanjavaboahary arovana. Ho nosy maitso i Madagasikara afaka taona vitsy satria tany mirefy 25 000 ha no hatokana hambolena hazo. Manomboka izao dia handeha isan'ambaratonga ny fanarenana ka ity ekipa vao nasiam-panavaozana ity no ho tompon'antoka.
Ny lafin'ny fizahan-tany kosa dia ezahana ny hanampiana ireo fotodrafitrasa, indrindra ny hotely izay hiantsoana ny mpampiasa vola. Raha atao ny jery todika dia 204 000 eo ho eo no isan'ny mpizaha tany tonga teto tamin'ny taon-dasa, ary kendrena hiakatra 25 000 amin'ity taona ity. Famoronana asa miisa 24 500 kosa no tanjona avy amin'ireo politikam-panjakana ireo. Raha fintinina, dia tsy maintsy atao tomombana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zavaboahary tsy manampaharoa ao aminy, hisarihana sy hampitomboina isa an'ireo mpizaha tany. Voamarika mantsy fa ny 2/3-n'ny mpizaha tany tonga eto dia mankafy ny zavaboahary avokoa.




Fifidianana loholona
Propagandy mialohan'ny fotoana
Tsy misy manaiky ho gisitra eo, sao ny toerana no manefa. Io no tsinjo amin'ny zava-misy hiainana ankehitriny. Tsy mbola manomboka ny fampielezan-kevitra dia efa lasa ny an'ny sasany.
Isan'io ny nanambaran'ny fikambanan'ny ben'ny tanànan'i Marovatana fa hanohana an-dRajemison Rakotomaharo ry zareo. Ny fifidianana mpanolontsaim-paritra amin'io mbola tsy vita.
Mandeha sahady indray ny famoriana ben'ny tanàna ataon'ny minisitra sasany any amin'ny faritry SAVA.
Io dia midika zavatra hafa amin'ny mpitazana. Ny mpanolontsaina eny anivon'ny kaominina, izay mpifidy vaventy, dia mazàna saika to-teny ireny ben'ny tanàna ireny. Dia ho hita eo fa ny hirariana dia ny mba fomba fijery ivelany fotsiny ireny fa samy hanaja ny lalàna ny rehetra.




Dimy taona lasa izay no nandaozanao anay.
Tsy ho maty mandrakizay ao am-ponay ny fahatsiarovana anao.
Mandria am-piadanana
Hoy :
Ny vadinao :
Rahaingoarivony Bodo Emilienne
Ny zanakao :
Nancy sy Francis Schuwey
Voahangy sy Simon Klimaszewski
Nirina sy Cyrille Christen
Ny zafinao :
Nelly, Maeva
ary ny fianakaviana rehetra aty Madagasikara, any Suisse, sy France.
« Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Ianao Jehovah ô no mampitoetra ahy ».
(Salamo 4-8).




Fahasalaman'ny mpikarama
« Hizaha dokotera any amin'ny OSTIE »
« Ho any amin'ny OSTIE hizaha dokotera ». Io no ambentintenin'ny mpiasa sy ny ankohonany raha tsy mpiasam-panjakana. Toa milaza fa tsy misy misahana ny fahasalaman'ny mpikarama hafa tsy io OSTIE io. Fa inona marina ity OSTIE ity ? Manazava ny Dr. Barabara Rakotoniaina Rakotonarivo, lehiben'ny Sampandraharaha « Kalitao-Serasera » ao amin'ny OSTIE.
* Madagascar Tribune : Misy ihany ireo sampandraharaha mikarakara ny fahasalaman'ny mpikarama fa maninona no raikitampisaka amin'ny mpiasa ny OSTIE ?
Dr. Barabara Rakotoniaina RAKOTONARIVO : 50 taona izao ny OSTIE ary izy no zokiny amin'ireo sampandraharaha misahana ny fahasalaman'ny mpikarama. Raha ny fahitako azy dia tsy nitsahatra nitazona ny lazany izy matoa tsy afaka am-bavan'ny mpikarama sy ny ankohonany. 2.700 izao ny orinasa sy mpampiasa ary 150.000 ny mpiasa mpikambana, miampy ireo vady aman-janany izay manan-jo ahazo fikarakarana ara-pahasalamana avy amin'ny OSTIE. Tsy nitsahatra nanatsara hatrany araka ny kalitao nofaritany ny OSTIE.
* Zo ahoana moa izany ananan'ny mpikarama izany ?
Lalàna mifehy ny asa no mandidy ny mpampiasa hanao fanambarana sy hitsinjo ary hikarakara ny fahasalaman'ny mpiasa izay hampiasainy. Mandoa ampahany, sahala amin'ny 5%-ny karaman'ny mpiasa ny mpampiasa ary ny mpikarama kosa dia mandoa 1% avy amin'ny karamany any amin'ny OSTIE. Ireo fandraisan'anjara ireo dia midika fikarakarana ara-pahasalamana, fitsaboana ary fanafody maimaimpoana avy amin'ny OSTIE.
* Inona tokoa ireo tombontsoa azon'ny mpikarama sy ny ankohonany ?
Misy karazany roa lehibe ireo tombontsoa : ny fitsaboana ara-bakiteny sy ny fiarovana. Ao amin'ny fitsaboana dia misy ny fizahana marary sy ny fizarana fanafody maimaimpoana. Misy karazana fanafody atao hoe « générique » efa mihoatra ny 400 ato amin'ny OSTIE. Misy fitsaboana nify sy ati-vava ato. Ao koa ireo fitsaboana manokana : areti-po, maso, sofina sy tenda, reny sy ny zaza, ny làlan-drà, ary farany ny « radio » sy « échographie », izany hoe fitsirihana.
Ny karazana fitsaboana faharoa dia ny fiarovana, izay mikasika ny mpiasa mivantana, ny tontolon'ny asa sy ny toeram-piasana mihitsy. Ao ny fisorohana ny aretina azo eo am-perinasa. Ny fizaham-pahasalaman'ny mpiasa raha vao raisina miasa izy. Ao ihany koa ny fizahana ny toe-pahasalaman'ny mpiasa isan-taona sy ny maha ara-pahasalamana ny toeram-piasana. Tsy adino koa ny « planning familial ».
* Mahasehaka ireo mpikarama sy ireo toeram-piasana marobe ireo ve ny OSTIE ?
Ny OSTIE moa dia voafaritra eto Antananarivo ihany. Ary ny ezaka dia ny manatona ny toeram-piasana sy ny mpikarama. Ankehitriny dia 8 (valo) ireo toby OSTIE : Ivato, Ilafy, Mahalavolona, Tanjombato, Ambohimanarina, Anosibe, Ampasamadinika ary Behoririka izay misy ny foibe. Ankoatra ireo dia misy masoivoho na « antenne » 18 any amin'ny faritra afaka haba sy any anatin'ny orinasa.
* Ny mpiasan'ny OSTIE koa ve mitovy amin'ny mpikarama hafa ?
Mahazo fitsaboana maimaimpoana koa izy ireo. 520 no isany izao, miampy ireo 20 hafa tsy mbola mpiasa raikitra.




Antsirabe
Indroa novonoiny ny zanany
Talohan'ny fetin'ny paska teo dia nahitana zaza tsy misy aina intsony tao amin'ny ranon'ny Sahalombo Antsirabe. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy iza tsy akory fa ny reny niteraka azy ihany no namalana azy an-drano, ary vao 1 taona monja ilay zaza. Tratra tamina toerana iray teto Antsirabe, teny Atsinanan'Ivohitra, ilay ramatoa ary rehefa nanao ny asany ny zandary dia niaiky ny zava-bitan'ilay ramatoa ary mbola namafisiny fa fanindroany tamin'izao no namonoany ny zanany. 19 taona ity vehivavy renim-pianakaviana ity. Tamin'ny taona 2004 no namonoany ny zanany iray vao enimbolana monja. Notapenany ny orony. Tsy tratra izy tamin'izany fa nambarany tamin'ny manodidina fa maty noho ny aretina ilay zaza. Tamin'ity kosa dia tsy nisy azony nialàna intsony satria nisy nahita ny nanaovany ny asa ratsiny. Efa manefa ny sazy sahaza azy izy ankehitriny.




Andranomanelatra
Voarohirohy ny zanaka mpitondra fivavahana
Ny 12 Martsa lasa teo dia nisy vaky trano tao Andranomanelatra ary trano mifanakaiky no lasibatry ny mpanao ratsy. Entana lafo vidy sy fitaovana elektrika, finday ary lelavola 3 500 000 Ar no lasan'ireo jiolahy. Rehefa tonga teny anivon'ny zandarimariam-pirenena ny tatitra dia nanomboka ny fanadihadihana ka niafara tamin'ny nahatratrarana ireo mpamaky trano efa-dahy, mpandray ny halatra mirahavavy ary mpampiantrano iray. tovolahy vao erotrerony 17 taona no lehiben'ny mpangalatra ary fantatra fa zanaka mpitondra fivavahana ny iray tamin'ireo vehivavy mpandray ny entana. Nisy ireo entana no tafaverina tamin'ny tompony. Ny vola kosa 700 000 Ar sisa no tratra. Rehefa natao ny fanadihadihana dia izy ireo ihany no tompon'antoka tamin'ilay vaky trano tao Andranomanelatra tamin'ny 11 desambra 2007. Zanak'Andranomanelatra ihany ireto jiolahy ireto, ny iray aza zanaky ny mpiasa amina orinasa lehibe iray ao an-toerana ihany.




Antsirabe
Toaka gasy ara-dalàna ?
Amin'izao fotoana izao dia misy ny karazana toaka gasy ara-dalàna sy tsy ara-dalàna hany ka sahiran-tsaina ny zandary manao ny asany. Ny talata lasa teo dia nisy toaka gasy 1.000 litatra efa voatsinjara amina tavoahany plastika 1l. efa misy etikety saron'ny zandary tamin'iny làlam-pirenena faha-fito iny.
Rehefa natao ny fisavana dia nampiseho ny taratasy fahafahany mandeha ilay tompon'ny toaka izay tsy iza fa olona tompon'andraikitra iray avy ao atsimotsimo ao, ankoatr'izay, ara-dalàna avokoa ny taratasy rehetra . Anisan'izany ny fandoavan-ketra, noho izany dia tsy afaka nitana ireo toaka na koa naka lamandy 1.000 Ar isaky ny litatra ny zandary.
Araka ny fantatra dia avy ao Ambinanindrano Amoron'imania no niavian'ireto toaka gasy ireto. Very hevitra ary ireo mpitandro ny filaminana satria misy ny ara-dalàna sy ny tsy ara-dalàna eo amin'ity resaka toaka gasy na koa « toaka voarara » ity.




Fitantanana ny renivohitra
Ho voasazy ve i Andry TGV ?
Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. « Tsy handefitra manana ny rariny aho », hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon'ny « Préfet de Police ».
« Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon'antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin'ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin'ny kaominina io. Maika ny fampandrosoana nefa izao no zava-misy eto. Tsy maintsy hajoro ny solontenan'ny ben'ny tanàna isam-pokontany. Tsy tia tanindrazana ireo minia manakana ny asa tokony holovain'ny taranaka fara-mandimby eto », hoy i Andry Rajoelina ben'ny tanàna eto Antananarivo renivohitra. Tao amin'ny fahita lavitra iray no nanambarany io ny alarobia teo. Niaiky ity ben'ny tanàna ity fa misy ny fingana atao aminy, mba tsy ahavitany asa ho an'ity renivohitra ity. Na eo aza izany dia hiezaka hamita ireo fampanantenana nataony hatramin'izay ingahy Andry TGV.
Ny fitaovana fanalàna fako dia ho avy tsy ho ela, ary hajoro ihany koa ny resaka sakafo amidy mora toy ny « tsaky popy » tamin'ny andron-dRadidy.
Raha hiverenana ity fanendrena « sefom-pokontany BIS » ity, dia efa naneho ny heviny manoloana io ny tompon'andraikim-panjakana, izay nampitandrina, fa fandikana lalàna ny fanaovana izany. Raha minia mikipy ny ben'ny tanàna, ho voasazy ve i Andry TGV ? Io sazy io no tsy fantatra fa mety hisy PDS vaovao indray angaha ?




Asehoy ny marina
Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.
Andraikitra lehibe ho an'ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an'ireo minia te-handrava ny filaminana eto.
Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika mivantana no voakasik'io, fa ny eny anivon'ny tafika. Re fa mandeha ny fisamborana etsy sy eroa, ary efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Manana ny tsiambaratelony ny fanadihadiana, saingy mila ho fantatry ny rehetra ihany ny tena marina. Raha hitodiana kely ny mikasika ilay ambara ho fikasana hamono ny filoham-pirenena ny datin'ny Aprily 2007 lasa teo, dia nambara fa voasambotra ilay olona. Iza izy io, ary nanao ahoana ny tohin'ny raharaha ? Nahoana no tsy aseho vahoaka toy ny nahazo an'ilay lehilahy antsoina hoe Ivan teny Ambohibao izy io ? Asehoy ny marina mora hitandreman'ny tsirairay. Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity ? Miandry ny fanadihadiana ny rehetra, ary ho hita eo ny marina.




Mampikony
Mbola noho « Ingahy Ivan » ihany !
Mitombo aoka izany ny saram-pandehanana ! Tsy dia ny saram-pitaterana loatra no voakasiky ny toe-javatra, amin'iny làlana mampitohy an'Ambondromamy amin'Antsiranana iny, fa ny vola lany mandra-pahatonga any mihitsy. Tapaka ny fifamoivoizana eo amin'ny tetezana Mahajamba, 30 km miala an'Ambondromamy. 3km miala eo, dia tsy azo andehanana koa ny tetezana Mahasoa. Soa ity farany fa efa ao am-panamboarana azy ny orinasa Sogea, ary raha mandeha tsara ny asa, dia mety ho vita ny alakamisy izao. Izy io moa dia efa mitongilana satria misy ratra eo amin'ny tolanam-bato faharoa.
20.000 Ariary ny sarany miala an'Antananarivo hatreo Mahajamba. Miala ny mpandeha sy ny entana eto. Soa fa tsy mitsaka rano fa azo andehana an-tongotra ihany ny tetezana Miandry ery ampita ny fiara mizotra any amin'ny farany. Na io Antsiranana, na io Antsohihy, Bealanana... Raha ho any Antsiranana, dia 40.000 Ariary indray miala eo, toy izay koa raha ho any Ambanja ; 25.000 kosa raha ho any Antsohihy. Indraindray, miandry adiny telo na efatra vao feno ny fiara. Mitombo ny vola lany amin'ny tsaingotsaingoka kely.
« Izaho manokana izao dia efa nandany 2.500 isan'olona kanefa dimy mianaka izahay. Sakafo maraina fotsiny. Izany hoe vary sosoa sy ny laoka miaraka aminy, ary kafe ho anay mivady ary dite ho azy telo mianadahy », hoy ity ramatoa iray hody any Antsohihy. Ankoatra izay, ny sakafo tsy maintsy tendrena mandritra ny làlana. Ny alakamisy maraina no miseho ny tantara. antoandro sy alina teny an-dàlana. Mandra-pahatonga any Antsohihy, dia tsy maintsy misakafo indray ny antoandro, izany hoe mbola vola hafa indray izany.
Mandeha ny afera
Niainga ny alarobia teto Antananarivo ny fianakaviana iray, ary nisakafo teny an-dalana ny antoandro sy ny hariva. Tonga eo Mahajamba ny alakamisy maraina, dia nisakafo maraina indray.
Ny entana kosa, raha betsaka loatra, dia andoavana sara hafa, miampita ny tetezana. Toy ny 500 Ariary raha kesika dia mahatondra azy. Miakatra ho 6.000 Ariary kosa raha sarety. Etsy andaniny, tsy manaiky ny mpivarotra sakafo madinidinika. Ny tsinay tsy mba vatsy rahateo, ka dia mandeha tsara ny afera.
Sakafo maraina, vary sosoa sy ny ranomafana, 2.500 Ariary isan'olona. Raha hitsaingoka mangahazo kely, dia mandry ny 200 Ariary. Raha tsy izany, satria any no isan'ny tena itoerany, dia miainga amin'ny 500 Ariary ny trondro voaendy, hatramin'ny 3000 Ariary. Miankina amin'ny habeny izany. Mafana ihany koa andro, hany ka manararaotra kely ny mpivarotra rano. Na izany aza, hita fa mitandrina ny mpanjifa satria dia maloto dia maloto ny rano taorian'ny rivodoza iny. Mbola be dia be mantsy ny rano midina.
Mitsinjo ny mpandeha
« Raha maizina no tonga eto amin'ny tetezana, dia tsy mahazo mihetsika ao anaty fiara izy raha tsy efa mazava tsara. » Mpamily fiara mampitohy an'Antananarivo sy Antsiranana andriamatoa Raymond. Tapa-bolana izy izao no tsy nahita ny vady aman-janany. « Tsy afaka mihoatra an'i Mahajamba ny fiara mandra-pahavita ny asa », hoy izy. Noho izany, dia anisan'ireo fiara mpandray ny mpandeha avy any Antananarivo izy. Lasa fiara roa mantsy ny mampitohy ny toerana roa, noho ny fahasimban'ny tetezana ao Mahajamba sy Mahasoa.




Mariboninahitra
Nahatsiaro ny velona ny ministera
Maty vao Ramalala. Tsy izay intsony no tanjona eo amin'ny sehatry ny zava-kanto, fa tsy maintsy omena voninahitra ny velona. Mpanakanto 23 mianadahy no notolorana mariboninahitra tetsy amin'ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahantena ny zoma lasa teo. Isan'ny nosalorana izany voninahitra izany i Salomon ao amin'ny « Kintana telo », nahazo ny laharam-boninahitry ny « Grand Officier », sy Lisiarimanana mpanao majika.
Ny mpaka sary sy ny mpitendry ary ny mpihira no nahazo izao fanomezana izao, ary tsy diso anjara ny mpanao hatsikana toa an'i Dadavy nahazo ny mariboninahitra « chevalier ».
I Bebe Ange kosa dia ny sehatry ny hira gasy no nahafantarana azy. 110 taona vao mba nahazo ny anjarany. Ny ministra Patrick Ramiaramanana no nampisalotra ireto mari-boninahitra ireto, izay nanipika fa omena sehatra ny velona fa tsy sanatria maty vao Ramalala.




Antitra ve ny tanora ?
Misokatra ny varavarana. Feo efa fandre hatry ny ela io. Mbola naverin'ny filoha Ravalomanana io nandritra ny fotoam-pivavahana natao tetsy Analakely ny sabotsy lasa teo. Fankalazana ny datin'ny 29 Martsa io.
Raha misokatra ny varavarana, dia midika io fa tsy misy tokony ahilika eo amin'ny asa fanarenana an'i Madagasikara. Misy tsiahy tiana hapetraka anefa momba ireo olona heverina fa tokony hifanome tànana amin'izao asa fampandrosoana tiana hapetraka izao. Toa iniana nampanginina tanteraka ny sasany amin'ireo heverina fa nahavita teto amin'ny firenena. Isan'io ry Ny Hasina Andriamanjato, izay tanora mba nitondra fampivoarana teto. Mety tsy ho tonga lafatra ny nataony fa vita hatreo ve ny aminy ? Isan'ny mpanao politika nametraka izao fitondrana izao tamin'ny toerany i Alain Ramaroson. Fantatra io teo amin'y resaka andrimasom-pokonolona. Enin-taona aty aoriana. Toa nanjavona ny lehilahy. Tsy nomena andraikitra sa nisintaka amin'ny andraikitra tokony ho raisina ? Tao ny mpahay toe-karena dia i Herizo Razafimahaleo. Fifandraisana amin'ny any ivelany, ary afaka mizara ny fahaiza-manaony eo amin'io sehatra io, saingy ny Politika tsy hiraisana no hifanilihana. Farany dia ny PDS Hery Rafalimanana. Valo volana monja hoy ny mpitazana dia nanova zavatra maro teto amin'ny tanàna. Nahatsapa izany ny tsirairay, saingy resy teo amin'ny latsa-bato ny lehilahy. Ampahany ireo, fa inona no tsy anomezana andraikitra ireo karazan'olona voatanisa ireo ? Fiovana no ilaina, ary tsy hanavahana firehana no tanjona. Misy tanora afaka manova haingana ny tanàna, ary ny toe-tasaina, koa miandry ny fahatsapa-tenan' ny vahoaka, ary mbola ao ireo eo anivon'ny sehatra tsy miankina afaka mirodorodo amin'ny asa izay hatao.
Sa antitra ve ny tanora ka marivo salosana ? Zarao ny andraikitra fa tsy vitan'olon-tokana ny fanarenana an'i Madagasikara, ary ny filoha no efa nilaza fa misokatra ho an'ny tsara sitra-po ny varavaran'ny fitondrana.




Toliara tsy miroro
Tsy maintsy atomboka ny fivoriana izay efa nokasaina atao. Io no fantatra tamin'ny fanehoan-kevitry ny mpikambana Monima, raha voalaza fa tsy navela hanao ny fivoriany ity antoko ity.
Tompon'antoka amin'ny filaminana izahay, hoy ireo mpikambana, ka tsy tokony hidiran'ny fanjakana lalina ny fivoriana anaty trano tahaka izao. Ny fanatarena voninkazo eny amin'ny tsangambaton'i Dada Monja no tsy azo natao koa nahoana no mbola hiniana sakanana ny fivorian'ny antoko anaty efitrano mihidy ? Ny fitondrana any an-toerana anefa dia nitazona ny teny nomeny amin'ny tsy azo hanaovana famoriam-bahoaka na ivelan'ny arabe na anaty trano. Inona no hitranga ao Toliara tsy miroro anio ? Mino anefa isika fa hisy ny fandaminana iraisana mba hisoroana ny mety hitrangan'ny savorovoro. Tsy misy tsy vitan'ny fifandaminana e.




« 4MIS » eto an-drenivohitra
Tsy mahafoy ny dabam-pakon'Antananarivo
Nalaza ny hetsiky ny kaominina Antananarivo renivohitra teo amin'ny fanangonana ireo olona mpatory an-dalam-be teto an-drenivohitra. Indroa miantoana no nanaovana ny hetsika, ka olona mahantra an-jatony no noraofina. Tsy nampilazàna moa izy ireo, sao dia miafina ka tratran'ny sarika am-pandriana ny ankamaroany. Nentina teny Anosizato ka tezaina amin'ny akany mandritra ny 21 andro. Arakaraka ny fanadihadiana no hanaparitahana azy, ka ao ireo alefa mody any amin'ny tany niaviany, ary ao kosa ireo tsy manan-vakavaka sy trano honenana. Ny an'ity farany angamba no nampiverina ireo mahantra sasany ho eny amin'ny dabam-pakon'Antananarivo indray satria tsikaritra fa nitombo noho ny teo aza ny mahantra tsy manan-kialofana.
Teo aloha ireo « 4mis » izay tsy tratry ny fandrofana satria niafina. Eo amin'ny tohatohabato ambadiky ny Rabearivelo ry zareo no mialokaloka, ampangain'ny loto amin'iny elakelan-trano iny.
Vaky vava ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina fa sarotra ny raharaha. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia ny tsy fahampian'ny filàn'ireo mahantra ao amin'ny akany no tsy nahatamàna azy. Eo indrindra koa ny fahazarana mivelona amin'ny fako. Ankehitriny àry dia nitombo isa ny mahantra an-dalam-be eto an-drenivohitra. Inona indray no hetsika manaraka ? Ny fisamborana toa tsy vahaolana fa andosiran'ireo mahantra fotsiny.




Hen'omby
Tsy sahy mihinana ny olona
Voafehy ny fijerena ifotony ny aretin'omby. Fanambaran'ny minisitera ny faran'ny herinandro teo io. Nisy araky izany ny toro-marika isan-karazany izay natao hiarovana ny omby Malagasy.
Heno ihany koa fa hanondrana ity hena ity any ivelany isika.
Ny tsapa anefa, dia manomboka mandositra ny fihinanan-kena ny maro. Raha nanao fanadihadiana tamin'ireo mpivaron-kena izahay, dia saika any amin'ny hena kisoa no hifandrombahana. Ny vidin'ireo hena omby sy kisoa rahateo tsy dia mifanalavitra, satria Ar 200 no elanelany raha hividy fahefany. Ny hotely dia saika mirona any amin'ny trondro sy akoho ny laoka masaka ao aminy. Ny fanazavana heno, dia tsy misy mety mihinana hena omby ny mpisakafo antoandro. Raha izao no mitohy, ahoana ny fijerin'ny vahiny izay hanafatra ny hena manta eto amintsika ?




Fivorian'ny mpanohitra
Mitodika any amin-dRajemison ny maro
Tsy maintsy tratra ny tanjona. Io ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny fivorian'ny mpanohitra farany teo. Ny rafitra tetezamita no tian'izy ireo hajoro. Anio dia fantatra fa mbola hitohy ny fihaonana, ary miha-henjana ny fitakiana. Fantatra fa ny antoko tsirairay izay mivondrona ao amin'ny fanoherana, dia hamoaka fanambarana tsirairay, ary hisy ny atambatra avy eo ny fitakiana itambaram-be. Heno ihany koa fa misy mangataka an'ingahy Rajemison Rakotomaharo hitarika io rafitra io. Mpikambana ao amin'ny Arema izay loholona ankehitriny no maniry izany. Ny fijery io fangatahana io, dia andro vitsy sisa, dia hifarana ny fe-potoana hiasan'ireto loholona ireto. Ingahy Rajemison, izay nahay nifampitantana tamin'ny vondron-kery samy hafa ve no mahatonga ny fanirian'ny hafa toy izao ? Ho hita eo izany, fa ny tsy azo lavina dia olon'ny TIM izy, ary manaja ny fitsipiky ny antoko.




Trakita no ampinga
Tetika hafa kely indray no endrim-panoherana eto. Niparitaka teto andrenivohitra ny trakita andro vitsy lasa izay. Ny tsikera ny fitondrana ankehitrio no hita taratra ao anatin'io, ary filoham-pirenena teo aloha, eto an-tanindrazana, no nanao sonia izany.
Raha nihaona tamin'ny mpanao gazety omaly ireto vondron'ny mpanohitra ireto, dia nanamafy fa miankina amin'ny fandraisan'ny vahoaka ny hevitra naparitaka ny tohin'ny hetsika. Gaga ny maro, satria nahery fihetsika ihany ireto mpanohitra ireto, saingy any amin'ny resaka trakita ve sisa no ahafahana maneho hevitra ? Matoa anefa natao, dia efa voadinika mialoha ny mety ho vokany. Tsy re tsaika intsony hatreto ny resaka fidinana andàlam-be. Tsy azo atao ihany koa io, ary ahiana mety hiteraka korontana ny fidirana amin'io lafim-panoherana iray io. Ny ahazaka vahoaka mbola tsy fantatra.
Niarahaba ny antoko MONIMA ny mpanohitra amin'ny fankalazany ny faha-50 taona niorenany. Tetsy Ivandry no nanehoan'izy ireo izao, izay notarihan'i Profesora Zafy Albert.




Antananarivo renivohitra
Be mpanimba ny asa
Iarivo maha-te honina. Mbola izay ve no mitoetra ankehitriny ? Andeha hidirantsika kely ny zava-nisy teto hatramin'izay ka hatramin'izao. Ny fitodiana amin'ny asa mety ahatsara zavatra ny ampitso.
Raha nanjàka ny vahiny, dia nisongadina vetivety ny asa natao teto Iarivo, isan'io ireo trano mijoalajoala manemitra ny araben'ny fahaleovantena, trano izay mbola manome endrika ny renivohitra ankehitriny. Tamin'ny Repoblika voalohany no kila hotohoto ny lapan'ny tanàna tao Analakely, ary tsy mbola voaharina hatramin'izao.
Niditra ny ben'ny tanàna teo aloha, izay nanjakan'ny antoko AKFM. Nanao izay ho afany ry pasitera Andriamanjato sy ny ekipany, ary nametraka ireo trano toy ny teny Analamahitsy sy ny hafa. Tsy mbola vita kosa anefa ny lapan'ny tanàna na dia nisy aza ny fanangonam-bola natao.
Nofoanana kosa ny tsenan'Anjoma rehefa nitondra ingahy Razanamasy, ary nalamina ny tsena na dia nisy aza ny hotakotaka nandritra ny fandaminana. Nanome endrika ny tanàna ny asa rehefa vita. Teo koa ny làlana migodana mihazo an'Ampasika sy 67 ha. Niditra nitantana ny tanàna i Ravalomanana. Niezaka nanao izay ho vitany, saingy lasa ho filohan'ny Repoblika izy ka i Patrick Ramiaramanana no natao PDS. Rehefa lanim-bahoaka ho ben'ny tanàna ity farany, dia io niarahana nahita io ny fanatsaràna ny làlana teto andrenivohitra sy ny tsena teny Anosibe, ary ny famakiana ny làlana vaovao manodidina ny renivohitra. Afapo ny maro, saingy tsy hatreo ny asa heverina fa mbola ho atao. Niditra ny PDS Hery Rafalimanana rehefa notendrena ministra i Ramiaramanana. Napetraka ny zaridaina mahafinaritra. Novolena ny tsangam-bato misy rano ny manodidina, ary nohatsarainy ny sekoly sasany teto amin'ny tanana. Tsy naharitra anefa izany satria valo volana monja nandraisany ny asa, dia resy tamin'ny fifidianana ny lehilahy. Miditra ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Telo volana ny lasa, nametraka izy fa misy ny sakana atao aminy amin'ny fampandrosoana. Tsy maintsy tafapetraka anefa ny fampanantenana natao.
Ankilan'io dia ny olona sasany tsy tia-fandrosoana kosa miniha manimba ny asa vita. Firy ny ezaka nimasoan'ny mpitantanana teo hatramin'izay, saingy aiza izy ireny amin'izao fotoana. Na eo aza ny torohevitra maro apetraky ny mpitantanana ny tanàna, dia vitsy ny mankato ireny. Izay no ilaina ilay fiovan'ny toe-tsaina. Tsy hisy fandrosoana ho vanona raha mbola manjaka ny fitiavan-tena. Be ny asa natao fa mbola izao ihany i Iarivo, hoy ny mpandalo. Ny tsara ho fantatry ny maro, dia ny hetrantsika vahoaka ihany no hanaovana ireny asa ireny, koa nahoana no tsy saro-piaro amin'ny asa vita sy izay ho atomboka isika ? Ndao hifanome tànana hanarina an'ity renivohitra ity, ka avela hatreo ny resaka politika fa ny tombotsoam-bahoaka no banjinina.




Moxe Ramandimbilahitra
Tsy sahy nilatsaka loholona
« Ny fokonolona no antoky ny fampandrosoana, ary tsinjarao araky ny tokony ho izy ny arena ». Loha-hevitra havoitran'ny TEZA amin'ny kongresiny faharoa amin'ny zoma sy sabotsy izao io. Toa tsy misy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka, ary hita fa tsy migoka ny hatsembohan'ny tavany intsony ny vahoaka, hoy i Moxe Ramandimbilahitra.
« Tsy hilatsaka ho ao amin'ny toeran'ny antenimieran-doholona izahay, satria ny olon'ny TIM avokoa no lany hifidy izay hipetraka eo. Tsy hisolelaka izahay fa hanitsy, ary aoka tsy handrasana hiteny foana ny mpanohitra vao ahatsapa ny lesoky ny mpitondra fanjakana. Mila mandray andraikitra isika fa tsy miandry baiko lava », hoy ihany i Moxe Ramandimbilahatra. Raha ny hita anefa dia maro no miandry baiko vao mamaly ny filan'ny vahoaka, nefa mbola asa mivilana no ataony.
Fantatra fa olona 100 no antsoin'ny TEZA hanatrika ny kongresiny, ary tsy hanasa mpanao politika izy ireo, satria fiainan-tokatranony no ho dinihana. Ho avy ao ireo ben'ny tanàna lany tany amin'ny faritra 14, ary ireo lany nefa navadika ny vatony dia tsy ho diso anjara amin'ny fivoriana.




Arema matotra sy ny AMF/3FM
Miandry tendrena ho loholona
Ny sabotsy ho avy izao no fara-fandraisana ny filatsahan-kofidiana loholona. Mbola mifandagolango amin'ireo mpifidy vaventy aloha hatreto ny olona mihevitra ny hilatsaka. Misy kosa ireo miandry hapetraka fotsiny. Isan'io ny eo anivon'ny antoko Arema matotra sy ny AMF/3FM.
Ny antony dia mba ho vali-babena nandritra ny fotoana maro nanohanany ny filoham-pirenena sy ny antoko TIM nandritra ireny fifidianana maro natao teto ireny. Ny avy eo anivon'ny TIM kosa dia tsy miditra amin'ny marimaritra iraisana amin'ny seza ho zaraina. Hita fa misy tsy fifankahazoan-kevitra ihany koa eo amin'ity antoko ity. Samy te-hilatsaka avokoa ireo mpikambana, saingy tsy maintsy misy hatrany ny sivana toy ny hita hatramin'izay.




Mampihinana maloto
Miparitaka eto an-drenivohitra indray ny trondro maloto amin'izao fotoana izao. Saika ny faritra rehetra, na mihaja na tsia no ahitana ireny trondro ireny. Azo antoka avy hatrany fa tena maloto ireo trondro, indrindra izay tetsy Anosibe omaly izay. Itangoronan'ny lalimanga ny entana. Tsy miafina ny maha trondro maloto azy, ampian'ny filazan'ny mpivarotra hoe trondron'Itasy sy Ambatondrazaka io. Tsara anefa ny mamaritra fa ny trondro avy any Itasy sy Alaotra dia miavaka. Tsy misy trondro madinika tonga aty fa tsy maintsy vaventy be avokoa. Ireo amidin'ny olona eto anefa dia salasalany. Mbola velona ny sasany matetika, ka eo no maharesy lahatra ny mpividy. Ny trondro avy any Itasy anefa dia saika efa voakarakara, izany hoe efa maty.
Mahagaga eto ny fahazoan'ireny trondro ireny vahana. Etsy amin'ny farihin'Anosy ohatra, dia amin'ny andro antoandro no maka trondro. Torak'izany ny etsy amin'ny ranon'i Masay. Tsy tahotra tsy henatra fa toy ireny olona nahazo alàlana ireny. Iza no tompon'andraikitra ? Vinavinaina ho trondro an-jatony taonina mihitsy no miparitaka etsy sy eroa, amin'ireny trondro maloto ireny. Maro ny olona mahalala azy, saingy minia mividy satria mora ny vidiny. Rahoviana koa no ahita trondro mora tahak'izany ? Tandremo anefa fa poizina ireny trondro ireny.




Antongo
Nosamborina ny ben'ny tanàna
Banga iray ny mpifidy vaventy amin'ny fametrahana loholona hatao atsy ho atsy. Naiditra am-ponja tamin'ny talata hariva teo mantsy ny ben'ny tananan'Antongo, anatin'ny distrikan'ny Morombe. Araka ny vaovao azo dia fampiasana ny dina tsy nankatoavin'ny fanjakana sy ny fitsarana no maha voarohirohy ity ben'ny tanana ity.
Etsy andaniny anefa dia nanambara ny mpiahy ny TIM any an-toerana fa bengy an'ity ben'ny tanana ity ihany no nisy nangalatra ary nampiharana ny dina.
Tsy mijanona eo ny raharaha fa hikaroka hevitra ny TIM any an-toerana. Angataka fahafahana vonjimaika an'ity ben'ny tanàna ity ry zareo, alohan'ny fifidianana loholona hatao atsy ho atsy. Tsy voasakana ny hidiran'ity resaka ity ao anatin'ny politika satria maro ny vahoaka nilaza fa kandida tsy miankina no lany tamin'ny vokatra tsy ofisialy, saingy nivadika izany tamin'ny ora farany ka lasan'ny TIM ny toerana. 5 andro taorian'ny valim-pifidianana ofisialy moa dia namoy ny ainy io kandida io noho ny aretim-po, araka ny filazan'ny fianakaviany.
Arak'izany dia maro no manana kakay amin'ity ben'ny tanàna ity ka manamafy ny ahiahiny amin'ny fisian'ny olona ao amin'ny TIM hamoaka azy.
Ny tantara dia mbola mitohy.




Ny Komity Mpitantana,
Ny Toniam-pitantanana,
Ny Birao Foiben'ny Mutuelle du Personnel,
ary ny Mpiara-miasa rehetra ato amin'ny CNaPS
dia maneho etoana ny fisaorana sy ny fankasitrahana feno anareo rehetra tonga nidodododo nampahery sy nampionona ary nitondra am-bavaka azy ireo tamin'ny namoizany an'i
izay nodimandry tamin'ny Talata 01 Aprily 2008.
Andriamanitra fitiavana anie hamaly fitia anareo.




Lany andro tamin'ny fivoriana
Be fihevitra fa sarotra tontosaina. Io no azo hitsikerana ny fivoriana izay mateti-pitranga teto Madagasikara. Asa na ny ilay finihavana no tsy ampy na sarotra tontosaina ilay fiketrehana natao. Raisina amin'io ilay tetika politika notontosain'ny antoko iray teto Madagasikara. Antoko maro no nandray anjara tamin'io tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Aiza ho aiza izao ilay vokatry ny fivoriana natao iny, raha ity sehatra ity no jerena ?
Nisy indray ny fampiofanana mpitondra fanjakana ambony natao tany ivelany. Volam-panjakana maro no lany tamin'izay. Mandeha amin'ny laonina ve ny asa fampandrosoana taorian'io ? Fahaiza-mitantanana no natao, saingy ny hafa aza volana vitsy taorian'ny fiofanana dia nesorina tamin'ny toerany. Natao ny fivoriana lehibe ho amin'ny fahaiza-mitarika. Miandry ny vokany isika rehetra. Teo ihany koa ny fivorian'ny sefom-pokontany, ny vahoaka no afaka hitsara azy ireo izay ahitana fimenomenomana maro ny fanamparam-pahefana ataon'ny sasany eny anivon'ny fokontany.
Toa lany andro tamin'ny fivoriana isika fa ny fampiharana azy toa tsy miantraika firy eny anivon'ny fiaraha-monina. Izay no ilana lamina maty paika entina manarina an'i Madagasikara, fa tsy hiova hevitra isaky ny mihetsika eto isika mianakavy.




Lozam-pifamoivoizana Lalam-pirenena faha-7
Olona iray sisa velona tao anaty « minibus »
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tao Antsentsindranontaolo Ambohimandroso ny marainan'ny alakamisy 3 aprily tokony ho tamin'ny 3 ora maraina tany ho any. Kamiao lehibe iray mitondra zava-pisotro mahamamo avy aty Antsirabe hiazo ny renivohitra no nifandona tamina « minibus » avy amin'ny koperativa FIFITSYmitondra mpiasan'na « chantier » avy any Tsiroanomandidy andeha hiasa hanao sekoly any Vangaindrano vohipeno. Potika tsy nisy azo noraisina ilay « minibus ». 15 ny olona tao anatiny miaraka tamin'ny mpamily. Olona iray sisa no mbola tsaboina ao amin'ny hopitaly Ambatolampy, ny sisa kosa dia maty avokoa. Araka ny nambaran'ireo nanatri-maso dia ora 4 no namoahana ny faty tao amin'ilay fiara. Ho an'ilay Kamiao kosa dia naratra ilay mpamily ka mandray ny fitsaboana sahaza azy ao Ambatolampy.
Tonga nijery mivantana ny zava-misy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta niaraka amin'ny solotenan'ny minisitra vitsivitsy, ary ny avy ao amin'ny faritra Vakinankaratra notarihin'ny Lehiben'ny Faritra, nankahery ny fianakavian'ny maty. Nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana ny fitondram-panjakana ary nanome lelavola 2 tapitrisa Ar.




Fihinanana hen'omby
Mandositra ny mpihinana
Sahiran-tsaina ny mpanjifa amin'ny feo miely momba ny aretina eo amin'ny hen'omby. Zary mihanahana fotsiny ity sakafo ity eny an-tsena ankehitriny, satria miteraka tahotra ho an'ny vahoaka ny aretina entiny.
Na dia efa nanambara aza ny mpitondra fanjakana fa voafehy tanteraka ny momba ity aretina mpahazo ny omby ity, dia hita hatreto fa mihanaka amin'ny fomba haingana ny feo izay toa mampitandrina ny olona tsy hihinana izany hena izany. Miainga eny amin'ny mpivarotra, mipaka hatrany amin'ny hotely ary ny tena loza dia toa tsy misy mpihinana intsony ny masikita. Ireo tsy mihinana hena kisoa kosa dia ny trondro sy ny akoho no atao laoka. Ireo tsy dia ampy vola, dia ny anana sisa no takatra.
Miaiky ny maro fa misy fepetra raisin'ny tompon'andraikitra isaky ny kaominina amin'ny fanaraha-maso ny hena amidy eny an-tsena, saingy tsy mahasakana ny ahiahin'ny maro ny toy izany.
Ny tsapa kosa, dia hifandrombahana ny hena omby eny amin'ny trano fivarotana goavana eto andrenivohitra. Firy amin'ny gasy anefa no afaka miantsena any ? Ilaina ny mitandrina, saingy rehefa ho tonga ny loza, ny hena omby aza dorana an-kalamanjana toy ny teny Itaosy farany teo.




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny alatsinainy 31 Martsa 2008 rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany.
Hoy
Ny vadiny :
RAZANAJAONA Marie-Ernestine
Ny zanany :
RAZAFINJATOVO Roland sy Monique (Paris)
MABILLE Alain sy Sahondra (Bordeaux)
Drs ANDRIANTAFIKA Joseph sy Alice Heritiana (Paris)
RATOVONDRAHONA Emile sy Julia (Paris),
Ny zafikeliny :
Drs ANDRIANTAFIKA Mamisoa sy Maïté (Bruxelles)
Dr ANDRIANTAFIKA Gaëlle (Londres)
Dr ANDRIANTAFIKA Loïc (Paris)
RAZAFINJATOVO Carole (Paris)
Dr MABILLE Ophélie (Bordeaux)
RAZAFINJATOVO Laurence (Paris)
MABILLE Cassandre (Bordeaux)
RAZAFINJATOVO Rudy (Paris)
RATOVONDRAHONA Émilie (Paris)
RATOVONDRAHONA Célia (Paris),
Ny iray tampo aminy :
* Terak'Itompokolahy RAMIANDRISOA Maurice sy Itompokovavy RASOAZANAMALY Victorine
* Rtoa RAMIALISOA Beby Florine (vady navelan'Itpklahy RAMINOSOA Victor) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RASOASEHENO Honorine (vady navelan'Itpklahy RASOLONJATOVO) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANATSALAMA Louise (vady navelan'Itpklahy RAZANAJATOVO Victor) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAVOLOLONARIVO Mariette (vady navelan'Itpklahy RAZAFINJATOVO Honoré) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANAMASY Esther (vady navelan'Itpklahy RASAMIARINORO) sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
* Terak'Itompokovavy RAJAONA Victoire sy ny zanaka aman-jafiny,
* Terak'Itompokovavy RAZAFINDRAKETAKA sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny havany :
* Terak'Itompokolahy Dr RAKOTOMALALA sy ny taranany
* Terak'Itompokovavy RAZANATSEHENO sy ny zanaka aman-jafiny,
* Terak'Itompokolahy RAMAHERISON Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RATSIMIAH Marthe Honorine (vady navelan'Itpklahy RAZAFIMANDIMBY Philibert) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANAMIHAMINA Joséphine (vady navelan'Itpklahy ANDRIANTAFIKA René) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RABODOSOA Suzanne (vady navelan'Itpklahy RATOVONDRAHONA Albert) sy ny zanaka aman-jafiny
* Atoa sy Rtoa MABILLE Michel sy Ginette sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambohidrano Atsinanana,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ranivo Maritiora Lazaina Avaradrano
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambodiafotsy Maritiora
Ny fokontany ao Amboditsiry
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony Lot II-B 47-E Ter Amboditsiry ny Sabotsy 5 avrily 2008 amin'ny 11 ora sy sasany , ho entina ao amin'ny Fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga , ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy atao veloma farany, alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasany ao Ambohidrano atsinanana.
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho azy amin'izay andro izay ; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa ».
(Timoty faharoa toko faha 4 and 7 - 8)




Toamasina
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpampiasa basy an-tsokosoko
Mitohy ary nahitam-bokatra hatrany ilay « Opération coup de poing » tontosain'ireo mpitandro filaminana eto an-drenivohitr'i Betsimisaraka. Maro ny karazan'asa maloto fanaon'ireo tsy mataho-tody no mihena an-dàlana hatrany. Tsy vitsy ireo mpanodikondina na mpivarotra solika nahodina ambadika amin'ny toeram-piasana isan-karazany no efa nampidirina am-ponja. Toa izany ihany koa ny vono olona sy ny halatra samihafa toa ny fanafihana toby fivarotan-dasantsy no sarona teny am-panatanterahana azy.
Ny talata voalohan'ny volana aprily teo kosa no nanomboka hita sy sarona ireo mpanao trafika na-basy. Ka efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ankehitriny ny raharaha. Basy lava miisa telo miaraka amina bala mitontaly 30 isa, miampy fitafiana miaramila folo no sarona tamin'ireo folo lahy tompon'antoka amin'ny fandravana eto Toamasina.
Niaiky ny roalahy fa basy tao amin'ny trano fonenan'ilay mpampiasa azy ireo ny iray amin'ireo tratra ireo. Tamin'ny alàlan'ny fijerana ny répertoire anatin'ny finday an'ilay jiolahy anankiray no nahatratrarana ny roalahy atidoha no lehiben'izy ireo. Marihina fa tratra teny amin'ireto jiolahy ireto ihany koa ny caméra iray fampiasany mialohan'ny « opération » ho tontosainy, izany hoe araka ny voalaza dia alainy sary mialoha ny trano sy ny manodidina azy ahafantarana ny lalana entiny manao ny asa ratsiny.




Zarazarao hanjakana
Raikitra ny fitetezam-paritra hanazavana ny sain'ny vahoaka amin'ilay rafitra tetezamita. Rafitra izay heverina fa handraisan'ny ankolafin'olona maro anjara. Io tetezamita ihany koa no hametraka ny fanjakana manaraka eo.
Saika ireo olona efa very toerana milona ao anaty mpanohitra no hita miangavy ny hidirana ao anatin'io tetezamita io. Tsy ratsy ny hevitra apoitrany, satria ny fahorian'ny vahoaka ankehitriny no antony hitakiana izao fepetra izao. Manana ny tetika hialana amin'io fahantrana io izahay mpanohitra hoy ny feo heno tamin'ity herinandro ity tany amin'iny faritra avaratra iny.
Ny mampalahelo, dia io fanalana ny fahantrana io hatrany no ataon'ny sasany litania, mba hiakarana eo amin'ny fitondrana. Firy ireo izay nampanantena volana aman-kitana ny mponina izay, saingy toa ny omaly tsy miova no hita. Miha-mahantra aza fa tsy miarin-doha.
Ny mahagaga dia tsy sahy mandray anjara amin'ny fifidianana ny ankamaroany, fa manantena ny ahita fahagagana toy ny tamin'ny 1991 sy ny 2002 ve ry zalahy sy zavavy isany ? Tsy ho gaga isika raha hitodian'ny maro lamosina ny antoko politika, ka ny tsy miankina hatrany no hiantefan'ny vaton'ny mpifidy.
Aoka izay ny zarazarao hanjakana, fa izay ihany no naha-rotika ny firenena tahaka izao, ka ilay tetezamita tadiavin'ny sasany, sao lasa tetezana mitsikafona ny farany.




ROTARY Club Ainga Antananarivo
Hitohy ny tetik'asa « Asako rahampitso »
Mitohy ny asa sosialy sahanin'ny fikambanana « ROTARY club Ainga Antananarivo » ka hiditra amin'ny andiany fahatelo amin'ny hetsika « Asako rahampitso » ny fikambanana. Hetsika manokana hanampiana ny mpianatra eny amin'ny lycée izy ity ka ny tanjona dia hanokatra ny sain'ny mpianatra amin'ny tsenan'ny asa. Ny fikambanana ROTARY no hiantoka ny mpanabe hitondra ny fanazavana ka ao anatin'ny ora fianarana no hakàna ora iray hanatanterahana ny fampianarana. Ireo lycée miisa 7 eto an-drenivohitra hatrany aloha no hahazo ny fiofanana andiany voalohany sy faharoa, ary ity andiany fahatelo ity. Hihitatra amin'ny lycée miisa 128 manerana ny nosy ny hetsika atsy ho atsy. Ora 900 no efa lanin'ireo mpanabe, mpianatra miisa 7500 avy amin'ny kilasy miisa 151 no efa nahazo ny fanazavana. Nambaran'ny solotenan'ny fampianarana nandritra ny fivoriana natao tao amin'ny Carlton omaly fa mifanandrify amin'ny fanavaozana rafim-pampianarana eto Madagasikara izao hetsiky ny ROTARY izao. Nanatrika io fivoriana fanokafana ny hetsika io ireo « proviseur » mitantana ny lycée 7 eto Antananarivo. Ny ROTARY kosa no mpampiantrano, ahitana mpikambana 22 mianadahy, tarihan'ny filohany atoa Ravoavahy Hery. Mpandray anjara amin'ny asa sosialy ny fikambanana ka saika asa soa hatrany no ataony. Miompana amin'ny ankizy toy ny famoràna faobe, fizaham-pahasalamana maimaim-poana ary famatsiana rano fisotro madio ny tetik'asan'ny ROTARY.




Justice et Paix
Hianaka hatrany ampiangonana ny kolikoly
Manjaka ny fahalovana, ary tsy hay tohaina ny herin'ny fitiavam-bola. Hatrany amin'ny mpitondra fanjakana ka hatrany amin'ny madinika indrindra no ahitana izany. Nomena ohatra ny momba ireo hazo sarobidy izay saika tratra avokoa ny fikasana hanondranana izany any ivelany. Nankaiza izy ireny rehefa voasambotra ?
Isan'ny nivoitra io tamin'ny fihaonana andiany faharoa nataon'ny Justice et Paix tamin'ny fifanakalozan-kevitra fanaony amin'ny mpanao gazety. Isan'ny nandray anjara tamin'io ny teo anivon'ny BIANCO tetsy amin'ny Falda Antanimena omaly. Ny tena mampalahelo, dia ahiana hianaka hatrany ampiangonana ny kolikoly. Manomboka mahazo vahana izy io ankehitriny. Ny eny anivon'ny tantsaha indray, dia mazana variana amin'ny vola, satria ireo harena ankibon'ny tany dia tsy azony hoanina. Izay ahitana ho harapaka no tanjony, ka mora voarebireby amin'ny vaza indray mihetsika. Hisy dingana hatao manaraka atsy ho atsy araka ny tapaka tamin'io fihaonana omaly io, ary apetraka ny fepetra henjana ho an'ireny tratra minia manao izany, izay angatahana amin'ny tompon'andraikitra mifanitsy amin'io ny fampiharana ny lalàna.




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny alatsinainy 31 Martsa 2008 rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany.
Hoy
Ny vadiny :
RAZANAJAONA Marie-Ernestine
Ny zanany :
RAZAFINJATOVO Roland sy Monique (Paris)
MABILLE Alain sy Sahondra (Bordeaux)
Drs ANDRIANTAFIKA Joseph sy Alice Heritiana (Paris)
RATOVONDRAHONA Emile sy Julia (Paris),
Ny zafikeliny :
Drs ANDRIANTAFIKA Mamisoa sy Maïté (Bruxelles)
Dr ANDRIANTAFIKA Gaëlle (Londres)
Dr ANDRIANTAFIKA Loïc (Paris)
RAZAFINJATOVO Carole (Paris)
Dr MABILLE Ophélie (Bordeaux)
RAZAFINJATOVO Laurence (Paris)
MABILLE Cassandre (Bordeaux)
RAZAFINJATOVO Rudy (Paris)
RATOVONDRAHONA Émilie (Paris)
RATOVONDRAHONA Célia (Paris),
Ny iray tampo aminy :
* Terak'Itompokolahy RAMIANDRISOA Maurice sy Itompokovavy RASOAZANAMALY Victorine
* Rtoa RAMIALISOA Beby Florine (vady navelan'Itpklahy RAMINOSOA Victor) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RASOASEHENO Honorine (vady navelan'Itpklahy RASOLONJATOVO) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANATSALAMA Louise (vady navelan'Itpklahy RAZANAJATOVO Victor) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAVOLOLONARIVO Mariette (vady navelan'Itpklahy RAZAFINJATOVO Honoré) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANAMASY Esther (vady navelan'Itpklahy RASAMIARINORO) sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
* Terak'Itompokovavy RAJAONA Victoire sy ny zanaka aman-jafiny,
* Terak'Itompokovavy RAZAFINDRAKETAKA sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny havany :
* Terak'Itompokolahy Dr RAKOTOMALALA sy ny taranany
* Terak'Itompokovavy RAZANATSEHENO sy ny zanaka aman-jafiny,
* Terak'Itompokolahy RAMAHERISON Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RATSIMIAH Marthe Honorine (vady navelan'Itpklahy RAZAFIMANDIMBY Philibert) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RAZANAMIHAMINA Joséphine (vady navelan'Itpklahy ANDRIANTAFIKA René) sy ny zanaka aman-jafiny
* Rtoa RABODOSOA Suzanne (vady navelan'Itpklahy RATOVONDRAHONA Albert) sy ny zanaka aman-jafiny
* Atoa sy Rtoa MABILLE Michel sy Ginette sy ny zanaka aman-jafiny,
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambohidrano Atsinanana,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ranivo Maritiora Lazaina Avaradrano
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambodiafotsy Maritiora
Ny fokontany ao Amboditsiry
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony Lot II-B 47-E Ter Amboditsiry ny Sabotsy 5 avrily 2008 amin'ny 11 ora sy sasany , ho entina ao amin'ny Fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga , ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy atao veloma farany, alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasany ao Ambohidrano atsinanana.
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho azy amin'izay andro izay ; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa ».
(Timoty faharoa toko faha 4 and 7 - 8)




Amin'alahelo lehibe no hampandrenesan'ny fianakaviana fa nandao antsika tampoka tamin'ny 23 marsa 2008 i
Nipetraka herinandro maromaro tao Farafangana izy tamin'ny taona 2006 ary ny fikambanana Mamabé no niarahany niasa tamin'izany. Nanan-danja lehibe taminy ny asa natombony niaraka tamin'ny mponina tao ka mbola maro ny fikasàna sy volavolan'asa natsangany ho fanohizana izany. Ny fandevenana dia natao tao Parisy ny alatsinainy 31 marsa.
Ny Malagasy naman'i Aurélien dia maneho ny fisaorana azy noho ny soa sy tsara nataony tamim-pitiavana tsy nangatahany tambiny na takalony.




Bongolava * CFA « Centre de formation et d'appui »
Ny tanora sy ny tontolo ambanivohitra
Nanomboka tamin'ny taona 2000 hatramin'ny taona 2007 no nanatanterahana ny tetik'asa fametrahana ny tanora mpandraharaha amin'ny tontolo ambanivohitra tamin'ny alalan'ny tetik'asa PROJER « Projet des jeunes ruraux », eo ambany fiahian'ny minisiteran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono.
Ao anatin'ny ezaka fiovana maitso maharitra ny tetik'asa ka miompana amin'ny fanitarana ny faritra hamokarana ny fiofanana rehetra. Io no nambaran'ny tale jeneralin'ny CFA, atoa Randriamanantsoa Jafetra Amin'ireo toerana nisy ny « ferme d'etat omby » taloha, ao anatin'ny faritra Bongolava no misy ity toerana fiofanana ity. Isan-taona no mamoaka mpianatra matihanina ka mpianatra manana bakalorea no niatrika ny fiofanana.
Ankehitriny dia CFA na « Centre de formation et d'appui » ilay tetik'asa PROJER teo aloha. Tanjon'ny CFA ny hiarovana ny tany ampiasain'ireo mpandraharaha izay mpanampy ny tanora miatrika fiofanana ao Ambatofotsy, anatin'ny distrikan'ny Tsiroanomandidy.
Ny ANAE, fikambanana mpandalina ny teknikam-pambolena no miara-miombon'antoka amin'ny CFA amin'izao fotoana izao ka mitondra ny fampiofanana ireo tanora miisa 245. Tanora manana bakalorea miisa 325 no niatrika fitsapam-pahaizana, 303 no nahavita fiofanana. Làlana mirefy 150 km mampitohy ny kaominina miisa 5, misy faritra 4 anaovana fampiharana no namboarin'ny CFA.
Fiofanana mahakasika ny famokarana masomboly, famatsiana fitaovana sy trano honenana mandritra ny fiofanana no imasoan'ny CFA amin'izao fotoana izao. Vita ny fiofanana ho an'ireo tanora ka efa ao anatin'ny fambolena ry zareo. Tany 20 ha no hiarahany amin'ny ANAE amin'izao fotoana izao
Teknika manarapenitra no iaingàna ka ny voly an-tanety, indrindra ny voly vary no nanombohana azy. Nisongadina ny famokarana ny vary « B 22 » sy ny « 3535 ». Zava-maniry maromaro fampiasa amin'ny voly rakotra no nitondran'ny tompon'andraikitry ny ANAE fanazavana nahitana ny « casanus », « moukouna » sns...
Tany mirefy 26000 ha no atokana hampiasain'ireo mpandraharaha. Tany 2000 ha moa no efa miasa. Mpandraharaha miisa 6 kosa no efa amperinasa ahitana ny FITIM mamokatra « Paka » hanamboarana gony, nyAGRIVAGE misahana ny fiompiana, ny AVITEC manao voly katsaka, ny ACODS mamboly jatropha, ny BONAGRI sns...
Ankoatry ny fiantohan'ny CFA ny filàn'ireo mpiofana mandritra ny fiofanana dia iantohana tany mirefy 12 ha isan'olona ireo tanora. Mety ho lasany ny tany raha maharaka ny fepetra takian'ny CFA. Torak'izany koa ny fepetra ho an'ireo orinasa manao tetik'asa ao anatin'ny CFA.




Kongresin'ny TEZA
Voahilika tamin'ny toerany i Moxe
"Toerana hifandimbiasana, ary aleo ny tanora handray ny andraikiny". Isan'ny teny mahitsy nambaran'ny filoha mpanorina ny TEZA io. "Fampitana ny faneva ho eo ambany fitarihan'ny tanora izao", hoy ingahy Moxe Ramandimbilahitra, "satria 10 taona izao no nitarihako ity antoko ity". Ampy traikefa amin'izany ireo mpandimby. "Tsy entam-barotra akory ny TEZA ka azo atakalo", hoy ihany ingahy Moxe, "ary mahaiza mitandrina fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, fa raha tsy izany, dia ny fihavanan-jiolahy no hanjaka ao anaty fokonolona. Tsy halozana ny fampiharana ny lalàna fa fiarovana ny rariny sy ny hitsiny".
Voahilika tamin'ny toerany i Moxe, fa toy izao kosa ny fehinkevitry ny mpizaika. Mitaky ny hanaovana ny fifidianana any Sainte-Marie, Nosy be ary Taolagnaro mialohan'ny fifidianana izay ho loholona. Takiany ny hamoahan'ny "Chambre de cassation" ny valin'ny fitoriana tamin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna farany teo.
Mila hatsangana ny banky fampandrosoana ka tokony hanana petra-bola ao ny fanjakana, ny mpandraharaha Malagasy, ary ny malagasy te-hividy petra-bola ao. Tokony hovana ny firafitry ny Governemanta hamaritra ny "orientation générale".
Mitaky ny hamerenana ny fifidianana rehetra any amin'ny fokontany ka izay mahazo vato be indrindra amin'ireo olona 5 no ho tendrena sefom-pokontany. Toy izany ny eto Antananarivo renivohitra, ary hatsangana ny "Haute cour de Justice". Teny Maibahoaka Ivato no nanatontosana ireo, ary i Rakotoamboho Jean Louis no voatendry hisolo an'i Moxe amin'ny toerany. Ity filoha mpanorina kosa kosa dia ho mpanolon-tsaina amin'ny lafiny maro ao anatin'ny antoko.




Midongy seza
"Tsy misy olona tsy azo soloina, fa ny endrika sy ny fiasa angaha no mety hanavao ny maro. Ampy izay ny nitondrako ny antoko", hoy i Moxe, "fa omeko olon-kafa ny fanilo".
Antoko manana olom-boafidy tsy vitsy ry zareo TEZA, izay midika fa tsy antoko tsy mahefa eo amin'ny firenena. Maro ireo antoko taloha no nampita ny fahefana amin'ireo mpikatroka tao aminy, saingy tsy vitsy koa ireo mpitarika mbola midongy seza.
Tsy lafiny fiainana antoko ihany no ahitana izany fa eo amin'ny sehatra maro samy hafa. Tsy mahomby eo amin'ny andrikitra izay sahaniny izy, ka esorina, dia manangam-bovona. Dia iny manangana fikambanana hafa, ary mbola izy ihany no atao lohany satria tsy te ho rambony. Tsy midika io fa tsy manana traikefa ireo zoky ray aman-dreny, fa ny fibahanana sehatra ho an'ny tanora mazàna no tsy misy. Tsy azo lavina fa misy ny tanora fisaina, ka mirona any amin'ny tsy tokony ho izy ny fomba fiasa, ary tsy mahagaga raha misy tsy mahafantatra ny tokony ho ataony.
Izay no ilaina ny fifandimbiasan-toerana mazava, ka hifanoroan'ny zoky sy ny zandry. Avy eo dia mifanampy ary iarahana mifanitsy eny ny lesoka. Fa raha mbola fitiavan-tena hatrany no hiseho eto ka mihevitra fa mahavita samy irery, dia tsy ho gaga isika raha tsy hisy raharaha vanona eto. Sa mamy ny toerana ?




Fanoherana
Mandady ny trambo
Misoko mangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tany amin'ny faritra avaratry ny nosy ny faritra atsimo no niaingan'izy ireo ny herinandro teo. Mpanohitra saika miray feo ao anatin'ny CRN avokoa ireto mitetity faritra ireto.
Ny rafitra tetezamita hatrany no ventesina amin'izany, ary raha ny firaisam-po tamin'ny hetsiky ny Monima farany teo no jerena, dia hita fa manararaotra izay sehatra azony hitenenana ireto mpanohitra ireto. Hevitra maro no tsinjon'ny mpitazana amin'izany, dia ny fahitana fa mety ho takona tanteraka ny mpanohitra indray ireto loholona amperinasa ireto raha vao tsy miteny. Ny rafitra tetezamita mba ahafahan'ny tsirairay mizara seza no hany vaha-olana. Ny sehatry ny fifidianana efa tsy ho azo antoka intsony ny ahalany ny ankamaroan'ny sasany ao, ka dia mila mitady rafitra hafa apetraka eto mba ahamora ny andraikitra hifampizarana.




Disadisa tsy ahombiazana
Alamino fa tsy ahitana fahombiazana. Tsinjon'ny maro fa misy sehatra tsy milamina eto amin'ny fitantanana ny fiainam-pirenena. Dia ireny hita ireny ny fisamborana manamboninahitra maro. Nambara fa mikotrika fanonganam-panjakana ry zalahy ireto.
Ny ao anatin'ny antoko matanjaka, dia io iarahana mahita io ny afitsoky ny sasany, fa toa mivadibadika tahaka ny lela may. Rehefa tsy mahazo ny fankatoavan'ny birao politika dia mandeha milatsaka amin'ny anaran'ny tsy miankina raha resaka fifidianana no asian-dresaka.
Mitaraina etsy sy eroa ny minisitra fa tsy mipetraka amin'ny andraikitra sahaniny intsony, ka toa ny hafa no mitsabaka amin'ny asa tokony hataony. Raisina ohatra amin'io ingahy minisitry ny Fampianarana Radavidson Benjamin. Raha vao nanova Governemanta farany teo, dia efa tsinjo io, satria taiza no nisy ministra roa nampifamadihana fotsiny ny toerany ?
Disadisa tsy ahombiazana no miseho. Ho gaga ve isika raha mitarazoka hatrany ny fampandrosoana heverina fa maika atao eto ?




Fanovana Governemanta
Be ny ministra tsy atokisana
Tsy ho ela dia hiova indray ny firafitry ny Governemanta. Lalana iray tsy azo ialana io, satria dia misy ministra nilatsaka ho fidiana ho loholona ao. Fanampin'izay, dia maro ireo ministra amperin'asa ankehitriny no tsy dia azo hitokisana, ka isan'ieo ho esorina andaharana atsy ho atsy. Porofon'io ny fandrenesana fa maro amin'ireo mpiray donakafo amin'ny filoha no tsy raisiny mifampidinika aminy intsony. Nanomboka tamin'ny sabotsy teo dia banga ny toeran'ny ministra ao anaty Governemanta, satria lasa nanao fampielezan-kevitra. Samy mahatsapa angaha ny ministra sasany fa tsy ateza ny toerany ao anaty Governemanta ka aleo miroso maka ny toeran'ny loholona sitran'ny ahay dimy taona tsy voakitika. Tsapa fa manomboka ny disadisa eo amin'ny samy olom-panjakana ambony, ary ny alatsinainy hariva teo dia efa nisy ministra nandeha any ivelany, ary aorian'ny fifidianana loholona vao hiverina eto antanindrazana. Io disadisa anatiny io no hitakian'ny mpanohitra ilay tetezamita hiarahana mitondra.
Miandry izay ho endriky ny firafitry ny Governemanta vaovao isika rehetra.




Marais masay
Alaina ho an'ny voay ny trondro maloto
Tsy ahitana vahaolana mihitsy ve ny famongorana ireo mpaka trondro eo amin'ny ranon'ny Masay ireo e ? Io no ady hevitry ny olona eny ambonin'ny fiara fitaterana, indrindra ny amin'ny zotra mandalo eny amin'iny faritra iny. Tazan-davitra ireo mpaka trondro, na andro na alina. Lakana maromaro mihitsy no miasa eo. Tamin'ny voalohandohany, taoriana kely izay nahavitan'iny làlana vaovao iny moa dia amin'ny andro alina no maka trondro ry zalahy. Alentiny ao anaty rano ny lakana amin'ny antoandro. Nandeha ny fisamborana tamin'izany, saingy fotoana fohy monja dia nitombo isa ireo mpanarato. Nisy ny olona tratra tamin'ireny ka fantatra fa namahanana olona ireo biby maloto. Niparitaka manerana ny tanàna ny trondro ary betsaka no tsy nahafantatra raha tsy efa mihinana. Nandeha koa ny feo fa ompiana amin'ny dobo, ivelan'Antananarivo ny trondro maloto, saingy tsy nahatakona ny maha trondro ratsy azy izany.
Amin'izao fotoana izao, volana vitsy izay dia tsy niafina intsony ireo mpaka trondro eo amin'ity ranon'ny Masay ity. Lakana maro no ampiasain'ireo mpanarato. Toa hoe nahazo alàlana maka trondro eo ireo mpanarato, ka mpandraharaha miompy voay no mandray ny trondro azo eo. Omena ny voay hono ireo trondro ireo. Mety ho marina izany, nefa dia manamafy sy manakona ny fanararaotan'ireo mpivarotra trondro eny an-tsena izany. Azo antoka mantsy fa morabe ny vidin'izy ireny, nefa afangaro amin'ny trondro madio eny ambonin'ny latabatra ka maha sadaikatra be ihany.
Tsy aleo ve ny voay no alefa ao mihitsy, amin'izay hisy hitandremana, toy izay hifamahana maloto eto, sady mamono ny tsenan'ireo matihanina mpanafatra trondro madio, ivelan'Antananarivo.




Misy farany ny zava-drehetra
Lalao no nandrasana, nefa fihetseham-bahoaka no hita. Mitety firenena maro ilay afo « Olympique » izay noheverina fa ahafaly ny vahoaka maro eran-tany, saingy fanoherana hatrany no hita. Raha ny tao Parisy, renivohitr' i La Frantsa no asian-dresaka, dia efa maty 20 minitra mihitsy ny afo vao narehitra indray. Tsy tokony ho faty anefa ny afo tahaka itony.
Fanoherana ny tsy fanajana ny zon'olombelona ataon-dry zareo Sinoa no anton'izao. Mpitandro ny filaminana maro no miaro ity afo ity tsy ho faty, ary nihazo any Etazonia indray avy eo io afo io. Hanao ahoana indray ny mety handraisan'ny olona io afo io ? Firenena matanjaka maro no voakilasy fa manitsakitsaka ny zon'olombelona, ary porofon'izany ny fitsabahan'ny firenena matanjaka amin'ny raharaha tokantranon'ny firenena iray. Rà mandriaka hatrany no setrin'izany. Mazàna dia ireo tany manankarena amin'ny fananany solika no hifandrombahana, ary mbola io hiarahana mahita io ny tranga ao Iraka.
Tsy nisy firenena nihevitra fa hirehitra tahaka izao ny hetsi-bahoaka momba ity lalao Olympique atao tsy ho ela any Shina ity. Misy farany ny zava-drehetra, ary izay no ilaina fitandremana, satria tsy ny vahoaka sinoa no nitarika ny hetsi-bahoaka fa ny vahoaka ivelan'io firenena io. Dia ho sanatria ve ho lalao ratsy tahaka izao no hiafaran'ny sehatry ny fanatanjahantena malaza eran-tany ity ?




Antenimieram-pirenena
Rivotra hafahafa
Tsy ho ela ny fotoam-pivorian'ny depiote, hifantoka any sain'ny maro. Feo maro no mifanaretsaka andalan-tsara eny Tsimbazaza. Ny resaka fikasana hanalana ny filohan'ity andrim-panjakana iray ity dia dia efa ela no nandrenesana izany. Tsy mbola nisy fanangonana sonia momba io, fa mivoaka ny vavan'ireo depiote sendra tafajanona ao ny momba izany. Ankilany tsy taitra ingahy Sylla amin'izay mety ho ataon'ny namany. Eo ihany koa ny momba an'i Zakahely, depiote voafidy tany Mananara Avaratra. Toa hanamaloka ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity indray ny fandrenesana fa hisy depiote ho gadraina. Ireo rivotra hafahafa ireo no hitsena ny fotoam-pivoriana ny volana May izao. Tsapa fa maro ny depiote no efa eto andrenivohitra, ary vitsy no nahavita nanao tatitra tamin'ny vahoaka nifidy azy.




Rakotoamboa Jean Louis
Tsy mila ny sezan'ny loholona
« Ampy ahy izay nipetrahako tao Anosikely izay. Raha misy ny vola voahodiko nandritra ny naha-loholona ahy, dia ento eo anatrehan'ny fitsarana aho ». Io ny fanehoan-kevitra nentin'ingahy Rakotoamboa Jean Louis.
Tsy nilatsaka intsony ny tenany, ary nohamafisiny, fa raha toa ka tendren'ny filoham-pirenena hiverina amin'io sezan'ny loholona io izy dia tsy handray intsony. « Ny fanompoako ny antoko misy ahy no tanjoko manomboka izao ». Tsy dia misy hilàna ny antenimieran-doholona, hoy izy, satria ny antenimieram-pirenena dia afaka manao lalàna eto. Ekena fa misy ny fitsitsiana ataon'ny fanjakana amin'ny fampihenana ny isan'ny loholona, nefa raha ny fahoriam-bahoaka ankehitriny, tsy aleo entina hanaovana zavatra hafa ny vola. Nohamafisin'ity loholona ity, fa maro ny jiolahy politika mialokaloka ao amin'ny fitondrana ankehitriny.
Hita taratra izany nandritra ny fanovana ny voka-pifidianana nifanesy teto. Tsara ny milaza fa filoha mpitarika ny TEZA ity loholona ity.




« Pladdic » sy ny aretin'omby
Mila mandray andraikitra ny fanjakana
« Loza ho an'ny vahoaka ity aretin'omby ity. Mila mandray ny andraikiny hatrany ifotony ny fanjakana, satria ho ripaka eto ny Malagasy raha tsy voavonjy haingana io aretina io ». Io ny fifohazana tamin'ny torimasony nataon'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa « Pladdic ». Ny filohany Tolojanahary, dia nanamafy fa misy sehatra tsy mazava miainga any amin'ireo dokotera mpitsabo biby, ka tsy mahagaga raha efa eny ambony latabatry ny mpivarotra vao hita fa biby misy aretina io amidiny io.
Tsy vitan'ny filazan'ny fanjakana fa voafehy fotsiny ity aretina ity dia vita. Nahoana no mbola mitohy ny olona tratrin'ny aretin'omby ity. Hidina ifotony eny rehetra eny ny Pladdic hanentana ny vahoaka mba hitaky ny taratasy manamarina fa hena efa voatily no amidy eny an-tsena. Tsy vitany irery anefa izany, fa mila ny fiaraha-mientan'ny maro, indrindra fa ny fanjakana.




Ny vadiny :
RAZANAJAONA Marie-Ernestine
Ny zanany :
RAZAFINJATOVO Roland sy Monique sy ny zanany (Paris)
MABILLE Alain sy Sahondra sy ny zanany (Bordeaux)
Drs ANDRIANTAFIKA Joseph sy Alice Heritiana sy ny zanany (Paris)
RATOVONDRAHONA Emile sy JuIia sy ny zanany (Paris)
ary ny fianakaviana manontolo,
dia maneho etoana ny fisaorana sy ny fankasitrahana tanteraka ireo rehetra, niaraka ory sy nitondra ny mavesatra ary nankahery azy ireo tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny Fiadanana anie homba sy hamaly fitia ho anareo. Miala tsiny indrindra aminareo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Tora-bato sa fonja ?
Vonona ny mpanohitra hidina an-dàlam-be. Tsy mila maka alàlana fa avy hatrany dia vavany. Ny fasahian'ny vahoaka hanaraka sisa andrasana.
Manakaiky ny volana Mey izay fotoana manan-tantara eto amin'ny firenena. Tsy zoviana amin'ny maro ny zava-nisy teto hatramin'izay. Ny etsy amin'ny lapan'ny tanàna teo aloha aza zary niofo ho kianjan'ny 13 Mai. Mpitondra maro no nahazo seza tampoka noho ny fisian'ny tolona teo, ary tsy vitsy ihany ka ireo tafiditra am-ponja noho ny fikirizana hampiasa ity toerana manan-tantatra ity. Maro ny naratra teo, ary mbola mitondra takaitra hatramin'izao, ary be ireo voatora-bato tetsy an-kianja.
Ny fanjakana ankilany dia tsy hanaiky ny hisian'ny korontana eto an-drenivohitra, ary ireny niarahana nahita ireny ny fisian'ny faritra mena tetsy Analakely, Antaninarenina ary Mahamasina. Ho tora-bato sa fonja no hiandry ireo vonona hiverina etsy amin'ny kianjan'ny 13 Mey hoy ny mpitazana ? Taona vitsy monja izay no nisian'ilay fandratrana loholona sy mpanao politika teo ary isan'io ny Profesora Zafy Albert. Hatramin'izao anefa mbola tsy nisy voasambotra ireo nanao izany herisetra izany, na dia fantatra aza ireo olona ireo. Mitazana ny maro, ary ho hita eo ny fahasahian'ireo nilaza fa hitarika olona etsy Analakely indray.




Henri Lecacheur
Hitarika vahoaka an-dàlambe
« Ampy izay ny fandeferana. Efa tafahoatra ny fahoriam-bahoaka, ary tsy izao no nifanarahana tamin'ity fitondrana ity, raha nametraka azy tamin'ny toerany izahay ny taona 2002. Vonona aho ny hitarika vahoaka eny an-dalambe raha ilaina, ary na higadrako aza tsy olana », hoy ingahy Henri Lecacheur raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin'ny Motel Anosy omaly. « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany ».
« Mila mpitarika manana fahavonona anefa ny tolona. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza. Ny tombontsoa ambony ny firenena no tsy maintsy tandrovana. Kivy ny vahoaka ary tsy manana risim-po eo amin'ny sehatra maro intsony ». Tsara ny milaza fa mpanolon-tsaina manokan'ny filohan'ny repoblika ingahy Lecacheur, saingy nametram-pialana noho ny fahitany ny tsy fahombiazana. « Voafitaka tahaka ny vahoaka rehetra aho » hoy ihany ny lehilahy.
Notsiahiviny ny resaka tao Vohidiala, ny tany amin'ny seranan-tsambo Toamasina sy ny tao amin'ny Jirama izay nahitana fanamparam-pahefana avokoa.
Miandry ny hetsika ataon'ingahy Lecacheur ny rehetra amin'ity hambarany ho fidinana an-dàlambe ity.




Andevoranto - Brickaville
Voapetraka ho Tangalamena i Zakariasy
Tamin'ny alatsinain'ny Paska lasa teo no natsangana ho Tangalamena ao Andevoranto, anatin'ny distrikan'i Brickaville, Atoa Zakariasy Patrick, 39 taona, taranaka faha 4 ao amin'ny firazanan'i « KIRITIKA » sy « BIDIHILY » ary « Mpanjakalava » izay nanjaka tamin'ny taona 1858, tao Andovoranto.
Nandritra ny roapolo taona no banga io toeran'ny Tangalamena io ka nahatonga ny ray aman-dreny tao an-toerana nanao ny hevitra, ka nanendrena an'i Zakariasy. Tamin'ny taona 2005 no efa nandefa ity soson-kevitra ity ny lehilahy ary izao nankasitrahan'ny ray aman-dreny izao.
Maro ny hetsika nomanina tamin'io ka natokan'ny mponina nanaovana ny fanomanana herinandro mialoha ny andro fady sy tsy fiasàna, dia ny Talata alakamisy, niampy ny andro alahady. Ny alahady faha 16 martsa no nanomboka ny fanomanana ka nananganana ny trano maitso nandraisana vahiny. Nitohy ny fomban-drazana rehetra hatramin'ny faha 24 martsa fotoan-dehibe nametrahana ny Tangalamena.
Ny Talata faha 25 martsa no nifarana tantereka ny lanonana, nanatanterahana ny fombafomba farany ka nahafenoana ny fepetra maha Tangalamena an'ity vao napetraka amin'ny toerany ity.




Ny vadiny :
RAZANAJAONA Marie-Ernestine
Ny zanany :
RAZAFINJATOVO Roland sy Monique sy ny zanany (Paris)
MABILLE Alain sy Sahondra sy ny zanany (Bordeaux)
Drs ANDRIANTAFIKA Joseph sy Alice Heritiana sy ny zanany (Paris)
RATOVONDRAHONA Emile sy JuIia sy ny zanany (Paris)
ary ny fianakaviana manontolo,
dia maneho etoana ny fisaorana sy ny fankasitrahana tanteraka ireo rehetra, niaraka ory sy nitondra ny mavesatra ary nankahery azy ireo tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny Fiadanana anie homba sy hamaly fitia ho anareo. Miala tsiny indrindra aminareo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Ifandroritana ny kianja
Hisy tantara indray ve ny kianjan'ny 13 Mey ? Taorian'ny fitsofan'ny mpanao politika iray ny hitarihany vahoaka etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, dia nipoitra naneho ny heviny ny ankamaroan'ny mpanao politika sy ny olon-tsotra. Aleo hiakatra kianja izay sahy, fa vonona izahay hanohana azy, hoy ny loholona Vaovao Benjamin.
Ny vahoaka sendra ny mpanao gazetinay kosa dia maro no nilaza fa hopetihina indray ve ny firenena ? Aoka ahay haka lesona tamin'izay niseho, fa tsy atao tendrim-po tsy mba namana ny fiainam-pirenena.
Inona no vokatra ratsy sy tsara ho an'ireo izay nitarika vahoaka teo ? Maro no nahazo fahefana tampoka, ary mbola ao anatina andrim-panjakana hatramin'izao. Ny ratsy kosa dia io mbola hiarahana manarina io ny vokatry ny toekarena nandritra ny raharaha 2002. Fanantenana fiovam-piainana ho amin'ny tsara tamin'izany no niandrasana ka naharoboka ny vahoaka maro. tratra ve amin'izao taona 2008 izao izay nantenaina ? Tsy ho gaga ny rehetra raha vao mandre mpanao politika milaza fa hitarika vahoaka eny an-kianja, raha be mpanakiana. Ireo hevitra nivoaka omaly tao ambavan'ny maro no nahitana fa tsy vahaolana mahomby hatreto ny fitaomana olona hiverina etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Ifandroritana ny kianja amin'izao, ary azo antoka fa tsy hamela ny fihantsiana toy iny nambaran'ingahy Lecacheur iny fanjakana fa hiaro hatramin'ny farany io toerana io. Ny kaominina ihany koa hiaro ireo asa vita eo amin'ny toerana io. Ny fahasian'ny mpitarika fihetsiketsehana kosa no tsy fantatra, fa mazana dia fihantsiana no betsaka fa ny fanatontosana ny vava natao no tsy misy.




Tsiroanomandidy
Loholona handravona fa tsy handrangitra
Nahay nisafidy kandida ny TIM. Ekenay avy aty amin'ny tsy miankina ny fametrahana an'ingahy Roland Ravatomanga ho kandidan'ny TIM aty amin'ny faritry Bongolava. Lehilahy heverina fa ahay handravona ny disadisa niseho taty amin'ity faritra ity io, hoy ny depiote Haja voafidy tamin'ny anaran'ny ANAWI. Niaiky ity depiote ity fa mangatsiaka ny fifandraisan'ny tsy miankina amin'ny TIM any an-toerana, nefa rehefa hita fa olona afaka hiarahana miasa dia tohanana.
Fiarahana midiniky ny mpirahalahy no nahitana ny mety ho taratry ny fifandraisana eo amin'ireo samy olom-boafidy, ary io kandida tokana any an-toerana ity lehilahy ity.




Talatamaty
Sinoa voapanga
Niakatra fitsarana omaly, tetsy Anosy, ilay raharaha sinoa voarohirohy ho nandratra sy namelaka tehamaina mpiasa iray tao amin'ny orinasany teny Talamataty.
Nametraka fitarainana tany amin'ny mpitandro filaminana ilay mpiasa nilaza fa novonoin'ilay sinoa vavy, tamin'ny volana avrily 2005 tany ho any. Naka taratasy fanamarinana avy amin'ny dokotera tao amin'ny Tobim-pitsaboana iray teny Talatamaty moa izy, ary izay no nampiarahany tamin'ny fitoriana. Notsaraina tao amin'ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka tonga tao avokoa na ilay sinoa na ilay mpiasa nitory na ny vavolombelona roa sy ilay dokotera nanome ny « certificat médical ». Nandà ny fiampangana azy moa ilay sinoa ary nilaza fa olona telo vavy ry zareo no niaraka nobedesin'ny patirao tamin'izay fotoana izany noho ny fahadisoana nataon'izy ireo tao amin'ny toeram-piasana saingy ny iray ihany no nilaza fa nofelahana ny tehamaina ary voa mafy teo amin'ny hatony.
An-daniny, ilay mpitory dia nanamafy fa novonoin'ilay sinoa. Ilay dokotera nanome ny taratasy fanamarinana moa dia nilaza fa ny asany no nataony ary ny zavatra hitany no nosoratany tao amin'ny « certificat médical ». Amin'ny 9 jiona ho avy izao moa no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity.




Miha-ratsy ny rivotra
Miha-maizina ny lanitra eo amin'ny sehatry ny politika eto Madagasikara. Maha-tsinjo izany ny mpitondra fanjakana, ary miditra eo amin'ny fisakanana ny afo tsy hidodaka.
Mahatsapa ny rehetra fa pitik'afo dia hampipoaka ny vaja. Tsy azo tsinotsiniavina ny fitarihan'ingahy Henri Lecacheur vahoaka teny amin'ny kianjan'ny 13 mey roa andro izay. Matoa nosakanana, dia atahorana izay, na dia eo amin'ny sehatry ny fandriam-pahalemana fotsiny aza.
Misy hifandraisany amin'ny fanakanana an'i Rossy tsy hiditra eto ve izao raharaha izao. Eny no dikany, satria tsy azo lavina fa mpanao politika ity mpanan-kanto ity, ary manana ny vahoaka mpankafy azy.
Ny fandrenesana ireo manamboninahitra maro alaina ambavany izay voakilasy ho mpiray tsikombakomba amin'ny fanonganam-panjakana tsy afenina. Miha-ratsy ny rivotra politika eto Madagasikara. Ny vahiny any ivelany manaraka akaiky ny raharaha. Tsy ho gaga isika raha hiemotra ny ankamaroan'izy ireo amin'ny fampiasany ny volany eto amintsika. Hamono antoka amin'ny tany mikorotan-dava ve izy. Hatreto dia tsy misy ny fifampidinihana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra. Ny nahazo seza ve hifampizara amin'ireo mpanao politika efa very fahefana. Ny vahoaka kosa etsy ankilany, dia tsy te-ho lany andro amin'ny korontana politika, satria ny vidim-piainana efa mianjady aminy isan-tsegaondra aza efa tsy zakany. Hanao ahoana ny ho avin'ity firenena ity manoloana ny sagodim-panina politika ity ?




Fifamoivoizana eto an-drenivohitra
Tsy misy mpiraharaha ny lalàna
Mitohy ny fanadiovana ataon'ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka ny famoahana lalàna mahakasika ny fifamoivoizana indray no imasoana. Efa resa-be teto an-drenivohitra ny lalànan'ny fifamoivoizana saingy toa niha goragora indray taorian'ny nandraisan'ny ben'ny tanàna vaovao ny toerana.
Asa aloha izay antony, fa niaraha-nahita ny sakatsakana, saingy efa nampoizina hatramin'ny nanaovana propagandy izany. Na izany aza dia nahazo famatsiam-bola ny kaominina.
Tsy nasian-dresaka aloha ny lalàna navoakan'ny kaominina, fony nentin'atoa Rafalimanana Hery. NY hany misongadina amin'izao fotoana izao dia samy tsy misy miraharaha ny lalàna na ny mpitondra na ny entina.
Tao ny fitaratra miloko, izay noraràna ny fampiasàna azy. Toa misy mahita lalàna vaovao indray ka toa hoe ny fitaratra anoloana ihany no tsy azo lokoina. Dia feno tokoa eny an-dalam-be eny izao. Tsy misy mpandrara ka manaram-po. Ny fehikibo moa dia efa samy manao izay tiany. Zara raha misy kofehy mainty hiantsorohana dia mety. Tsy miaro amin'ny loza akory. Tsy voasava intsony koa ireny. Ny mpitondra « scooter » koa dia toa mahazo tsy mampiasa « casque ». Ny mpamily fiara mampiasa finday dia toa ny lalàna fotsiny no napoapoaka fa ny fampiharana ny sazy no tsy misy. Raha amin'izao no ampiharina ny lalàna dia ho voasazy avokoa ireo mpanana fiara.
Manamasina ny heviny ny mpitantana mifandimby. Ny takela-by indray no laharampahamehana ho an'ny kaominina amin'izao fotoana izao. Ireo vitan'ny teo aloha moa toa nosomparan'ny mpangalatra, nefa nanarapenitra tokoa.




Kianjan'ny 13 mey
Vaky nandositra i Lecacheur
« Na higadra na hamoizako ny aiko, tsy hiemotra aho amin'ny fitarihana ny olona etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza, satria raha ny filazako ny marina no hisamborana ahy ho any amponja tsy olana ».
Isan'ny teny heno tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ingahy Henri Lecacheur tamin'ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Vaky nandositra anefa ny lehilahy omaly raha vao natazana ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy teny Analakely. Nifandrotehin'ny olona ihany koa ny mpanao Gazety, izay saika haka sary teny, soa fa nahay nandositra fa raha tsy izany voaroba teo. Gaga ny maro nahita itsy mpitari-tolona vaky nandositra tany anaty fiara 4x4.
Raha nisy fifandonana izany teo, dia naratra na voasambotra fotsiny ireo olona notarihana, satria ny mpitarika manana fiara afahana mitsoaka. Ny toy izao no mampalaina ny olona hidina andalam-be. Nilamina ny tanana na dia teo aza ireo savoritaka kely ireo, ary nanohy ny asany andavan'andro ny tsirairay. Mbola hitohy ve ny tolona sa vita hatreo ?




Madame Geneviève LASNIER
Madame Virginie LASNIER - MONTAUDON
Monsieur Eliott MONTAUDON
Ont le regret de vous annoncer le décès de leur Mari, Père et Grand Père :
Survenu à Paris le 10 Avril 2008
18, Rue Rainizanabololona Antaninarenina
Antananarivo 101




Ahiahy tsy ihavanana
Tsy mifampatoky intsony ny samy Malagasy. Miainga any amin'ny sehatra madinika indrindra ka hatrany amin'ny vaventy. Hita taratra io eo amin'ny mpanao politika mpanohitra na mpitondra fanjakana.
Niarahana nahita ireny fisamborana manamboninahitra ireny. Ny zava-misy ao anaty Governemanta, ary misy mihitsy ny feo miparitaka etsy sy eroa fa misy minisitra ho samborina ato ho ato ? Ny samy mpitondra izany, dia efa tsy mipetraka intsony ny tena fifampitokisana satria ny ahiahy tsy hiavanana. Toraky izany ny eo anivon'ny mpanohitra. Misy manome endrika an'ingahy Lecacheur ho ny mpitondra ihany no ao ambadiky ny hetsika ataony. Dia tsy sahy miroboka ny namany, sao tratrin'ny fandrika ka ho loza. Ny vahoaka eo anatrehan'ireo rehetra ireo, dia valalanina tanteraka. Raha ho roboka amin'ny hetsiky ny mpanao politika sao dia ny omaly tsy miova no hita. Tsy handeha anefa toa mafy ilay fiainana ka mila fiovana ny isam-batan'olona.
Ireo no hilazana fa misy rivotra mangatsiaka mahamay eto, ka ahiana mety hanapotika ny toe-karena. Inona anefa ny vaha-olana, fanagadrana sa fifampidinihana ?




Fidinana an-dàlambe
Nifanome hery ny mpanohitra
Mailo i Lecacheur dia nihemotra tsy nidina an-dalambe ny sabotsy teo. « Efa fantatro fa misy olon'ny fitondrana voakarama handroba sy hisambotra ahy. Aleo nihemotra aloha noho ny fitandremako tsy hisian'ny korontana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey io. Ho tohizako kosa anefa ny fanehoan-kevitry eny an-toerana ary tsy hihemotra intsony aho ».
Feno mpitandro filaminana tetsy Analakely ny sabotsy teo, ary efa somebiseby ihany koa ny mpandalo. Inona no hitranga eto ? Nilamina ny tanàna satria tsy nipoitra araky ny voalaza etsy aloha ny mpitarika ny fihetsiketsehana. Ankilan'izay dia mifanome hery ny mpanohitra. Isan'io ingahy Pierre Tsiranana, Vaovao Benjamin, ny CRN, ary heno fa nisy fihaonanan'i Zafy albert sy ingahy Lecacheur ny sabotsy teo ? Ny fiarahana hidina an-dalambe kosa dia mbola tsy voafaritra fa midera ny fihetsiky ny mpitarika ireto mpanohitra ireto. Ny filoha Ravalomanana ihany koa ankilany dia efa tonga omaly maraina teto an-tanindrazana ary tsy hitazam-potsiny izao fihetsiky ny mpanohitra azy izao. Hentitra izy omaly nilaza fa tsy hanaiky ny fanakorontanana ataon'ny mpanohitra.




Làlam-pirenena faharoa
Mirotsaka an-tsehatra ny zandary
Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izao dia nalaza ny fisian'ny fanakan-dàlana ataon'ireo olon-dratsy amin'ny làlam-pirenena faharoa, indrindra eo anelanelan'i Brickaville sy Moramanga.
Mba hamahana izany olana manelingelina ny filaminam-bahoaka izany, dia nanao dinik'asa tany Brickaville, ny faramparan'ny herinandro lasa teo ny zandary ao anatin'ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, sy Alaotra-Mangoro, izay notarihan'ny kolonely Andriambahoaka sy ny kolonely Célestin Arnaud. Tapaka tamin'izany fa hisy ny hetsika manokana ataon'ny zandary amin'ny làlam-pirenena faharoa sy ny làlam-pirenena faha-11A, miala Brickaville mankany Vatomandry sy Mahanoro, mba hiarovana ny ain'ny mpandeha sy ny fananan'izy ireo izay mandeha taxi-brousse na fiara madinika mihazo ireo làlam-pirenena ireo.
Antenaina ao anatin'izao hetsika izao ny fahatratrarana ireo olon-dratsy mpanakan-dàlana.




Razakarimanana Ferdinand
Potika ny demokrasia
« Omeo sehatra malalaka ny vahoaka ahafahany maneho ny alahelony. Io fihetsiky ingahy Lecacheur midina an-dàlambe io, dia fitondrana ny feon'ny vahoaka leon'ny zava-misy ankehitriny ». Isan'ny fanehoan-kevitry ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand io raha nihaona tamin'ny mpanao gazety izy omaly alahady.
Miantso fifampidinihana haingana ity Jeneraly misotro ronono ity, satria efa an-dohalika ny ranom-bary. Na amin'ny vahoaka io na ihany koa amin'ny mpanao politika satria tsy tokony hitompo teny fatratra ho manana ny marina foana ny olona iray. Miaina ao anatin'ny fahantrana ny vahoaka, nefa toa minia tsy mihaino ny mpitondra fanjakana. Potika ny demokrasia noho ny tsy famelana ny olona haneho hevitra ankalalahana. Hita fa tsy afaka maneho hevitra ankalalahana ny vahoaka. Mankasitraka ny tolona ataon'ingahy Lecacheur ingahy Razakarimanana, saingy tsy mbola fantatra kosa na hiaraka hidina aminy an-dàlambe anio na tsia. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny fanendrena ny PDS ao Nosy-be izay esorina dia apetraka amin'ny toerany indray. Miendrika ho fanosiosena ny miaramila ny natao tamin'ity kolonely ity, hoy ihany Razakarimanana izay PDS teto amin'ny faritanin'Antananarivo teo aloha.




Tonga i Dada, mipirina ny ankizy
Hentitra i dada nibedy ny zaza maditra rehefa tonga avy niasa avy any ivelany izy. Nipirina niaraka ny vava ny rehetra. Hay rehefa ampitahorina, hoy ny mpitazana mahay mifitsaka ihany.
Io no fanehoan-kevitra heno teny rehetra teny, rehefa nahita ny filoha Ravalomanana hentitra amin'ireo minia ny hanakorotana ny tany sy ny firenena. Niaraka ny vava, dia tsy nahitana mpanao politika intsony nilaza hidina teny amin'ny 13 mey. Ny mpitandro ny filaminana ihany koa mba naka aina kely satria milamina ny tanana e.
Ny endrin-javatra toy iny no hilazana fa mbola mamy amin'ny mpanao politika ny miaina. Tsy ho gaga isika raha mafy toy izao ny adim-piainana, dia ny fitarainana any an-tokantrano sisa heno. Nitsapa ny alalin'ny rano iny ingahy Lecacheur, saingy saika nihatra tamin'ny ainy noho ny fandrenesana fa nisy nanafika izy ary voatifitra tamin'izany ny fiara nentiny. Ny mpitondra mandrahona, izay mitady hanimba ny fitondrany, ary ny mpanohitra mora mifitsaka. Tonga amin'ny fiteny mahazatra izy ity hoe horakoraka ny an'ny sahona fa Ravalo ihany no tompon'ny fanjakana ?




Orinasa afakaba
Sady mamitrana no mandrava fihavanana
Tao ho ao dia maro ny orinasa afakaba nampiato ny mpiasa ao aminy. Saika tera-tany vahiny moa no mitantana azy ireny ka sedrain'ny tsy fandrosoan'ny tsena tampoka ka voatery nandroaka mpiasa.
Amin'ny ankapobeny hoy ireo mpiasa amin'ny orinasa afakaba, dia efa ampoizina ihany ny mety hisian'ny fampiatoana. Manaporofo izany ny tsy fikarakarana ny antontan-taratasy maha mpiasa raikitra an'ireo ankizy naato. Raha efa iaraha-mahalala ny fiainan'ny mpiasa ao anatiny ao, izay saika ahazoana fitarainana satria tsy ara-dalàna, dia andeha hojerena kosa ny fiainan'ireo mpiasa, rehefa ivelan'ny orinasa.
Ho an'ireto mpiasa nampiatoana tamin'ny orinasa iray eto an-drenivohitra, dia ny andro farany no ho tantaraina. Niainga vao mangiran-dratsy avy any an-trano toy ny mahazatra izy ireto, tamin'ny herinandro lasa teo. Tsy nanam-po na inona na inona fa avy hatrany dia tsy afa-niditra amin'ny orinasa. Tsy afaka nanohitra, tsy afa-niteny fa samy gina fotsiny. Hany hery dia nanao veloma an'ireo mpivarotra sakafo masaka. Samy very asa eto na ny mpivarotra aza. Vita teo ilay fihavanana sy fifankatiavana.
Ny tiana hasongadina dia niteraka fihavanana teo amin'ny samy malagasy ny fiorenan'ny orinasa, saingy nandrava fihavanana tamin'ny fotoana tsy nampoizina ihany koa.




Voavaha ny olana
Rehefa mahay mifanakalo hevitra, dia miravona ny olana rehetra. Io no azo hilazana ny fiavian'i Rossy eto an-tanindrazana afaka andro vitsy monja. Taorian'ny resabe nandeha tetsy sy teroa ireny, dia efa samy maneho ny heviny ny filoham-pirenena sy ny ministra mpiahy ny kolontsaina fa tsy manana olana amin'i Rossy izy ireo. Nihazo ny masoivon-tsika ao Frantsa ity mpanakanto ity, ary dia hitodi-doha eto Madagasikara hanatontosa ireo fampisehoana kasainy ho atao rehetra amin'ity taona ity amin'ny daty tsy mbola voafaritra.
Tsy ho vitsy ny hametraka loko politika maro samy hafa eo amin'ny fahatongavan'i Rossy, saingy ny hita aloha hatreto, dia rehefa mifanaja ny rehetra dia voavaha ny olana. Raha eo amin'ny ambaratonga samihafa dia azo atao ny manao tahaka izany. Tsy faly ny hifanome tsiny eto isika mianakavy, fa apetraho ny fahendrena izay efa hananan'ireo razana tany aloha, dia ny fifandresen-dahatra izany. Izay tofo hono mamosavy. Tanjona iray no tratrantsika eto dia ny fandrosoana fa tsy fihemorana.
Sa misy manana tombotsoa hafa ankoatry izay ? Dia samy ho tsarain'ny tantara eto isika mianakavy raha izay no masaka ao antsain'ny hafa.




« Agents déflatés » BFV sy BTM
Ny fitsarana no handravona ny olana
Nanjaka tanteraka ny zara vilana teo amin'ny fizarana ny vola. Tsy voahaja ny fifanarahana hatrany amboalohany. Io no alahelon'ireo mpiasa nisitaka antsitra-po tao amin'ny banky BFV sy BTM .
Vola mitentina Ar 20 tapitrisa no nifanarahana omena ireo mpiasa, saingy niova ho Ar 10 tapitrisa indray io tato afara. Mpiasa mahatratra 1 179 no omena io vola io, saingy ny 376 ihany no nandray ara-dalàna ny volany. Ny ambiny kosa dia ampaham-bola Ar 5 tapitrisa no mba azony, dia hatramin'izao tsy nisy intsony. Ny ministera eo anivon'ny fitantanam-bola dia toa miniha mangina manoloana izao fahavoazan'ny mpiasa izao, araky ny nambaran'ingahy Razakarisoa Louis isan'ireo mpiasa voan'ny tsindry hazo lena. Ny zoma izao no hiakatra eo anivon'ny fitsarana ambony ny raharaha, satria nitory ny TAF izay nitantanana ny vola hatrany amboalohany ny mpiasa. Voaheloka herintaona an-tranomaizina iretsy voalohany, ka izao nampiakatra fitsarana ambony izao. Vola mitentina Ar 3 miliara no voalaza fa nomena azy ireo, saingy nanjavona teny am-panidinana. Miara-miasa akaiky amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona ireto mpiasa ireto, ary maniry ny mba hivoahan'ny tena marina amin'ity raharaha iray ity.




Ministra Ramiaramanana
Tsy nisy nanakana ny fidiran'i Rossy eto
« Tsy hamotika ny mpanakanto izahay fa hiaro azy. Mpanakanto manana ny maha-izy azy i Rossy ary namanay izy, satria mpiray tanindrazana ». Io no nambaran'ny ministra Ramiaramanana omaly raha nitafa tamin'ny mpanao gazety.
Tsy toy ny artista rehetra ity mpanakanto ity, satria iarahana mahalala ny sehatra nisy azy teo amin'ny tontolo Politika. Nanambara anefa i Rossy fa tsy hanao politika intsony, ary izay no nandaminana ny fifanarahana rehetra amin'ny seho izay ho ataony eto Madagasikara.
Ny 20 aprily dia andron'ny fifidianana izay ho loholona. Ny volana mey ihany koa dia hiarahana mahalala fa fanehoan-kevitra ataon'ny mpanao politika. « Miaro ny mpanakanto izahay mba tsy ho viravirain'ny mpanao politika », hoy ity ministra ity. « Tsy misy manakana azy tsy hiditra eto, fa ny fampisehoana fotsiny no ahemotra kely ».
Azo atao tsara ny manao fampisehoana « tapolaka vita Bac », hoy Ramiaramanana.




Miandry tendrena
Afaka andro vitsy dia hifidy ny mpifidy vaventy. Iray isaky ny faritra no ho fidiana amin'io ary hisy ny ho tendren'ny filoham-pirenena. Ireo mpiara-dia amin'ny fitondrana tsy tafiditra ao anaty lisitra, dia hitafa mifanohana amin'ny TIM. Hita miseho eny rehetra eny izy ireo, satria minia tsy miteny eo, dia tavela rehefa tonga ny fizarana ny mamy.
Miandry ho tendrena ho loholona ny ankamaroan'izy ireny, ary izay tsy tafiditra any mba any amin'ny Governemanta indray manarina. Fomba tsy fanao hatramin'izay io, ka tsy hifanomezan-tsiny. Mazàna tsy dia tazana firy ny fahaiza-manao fa izay nahavita be tamin'ny fanohanana dia mahazo ny anjarany. Tsy ho gaga isika raha misy ny fitavozavozana eo amin'ny mpanantan-teraka sasany. Andrasan'ny rehetra ny ahita olona afaka midina ifotony mahita ny tena fahasahiranam-bahoaka mivantana, fa tsy ho sanatria mpandray tatitra ao anaty birao fotsiny. Tsy ho gaga isika raha misy ny mivadika palitao rehefa tsy nahazo toerana, satria manantena ny omena seza tampoka na dia tsy ao aza ny fahaiza-manao.




Lycée privé ACEEM
Mandalina ny tantaran'i Jaques Rabemananjara ny mpianatra
Voafidin'ny minisiteran'ny kolotsaina hanatanterahana fampirantiana ny tantaran'atoa Rabemananjara Jaques ny lycée tsy miankina ACEEM etsy Ankadivato, ka nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly maraina teny Ankadivato izany. Ny delegen'ny sampan-draharaha misahana ny taozavatra sy kolotsina ao amin'ny minisitera, atoa Julien Rakotonaivo no tonga teny an-toerana ka nanome ny toromarika sy ny antony nanaovana ity hetsika ity. Mpianatra miisa 450 ao amin'ity lyscée ity no kendrena hahafantatra ny tantaran'i Jaques Rabemananjara.
Olo-malaza niaina nanomboka tamin'ny 1913, hatramin'ny taona 2005 ny lehilahy. Tia tanindrazana nafana fo, solombavambahoaka niaraka tamin'i Ravoahangy sy Raseta. Minisitra tamin'ny andron'ny repoblika voalohany. Misongadina amin'ny fampirantiana koa anefa ny maha mpanoratra sy mpamorona tononkalo azy, izay maneho fitiava-tanindrazana hatrany. Anisan'ny miranty ao amin'ity lycée ity ny sangan'asany sasany toy ireo tononkalo mahakasika ny « lamba », ny fitantarany ny nosy mangabe, toerana niaviany, ary ny ampahan'ny fiainana tany Frantsa.
Hifarana amin'ny zoma ity fampirantiana ity, ary hisy fifaninanana mahakasika an'io atsy ho atsy. Sekoly miisa 3 eto an-drenivohitra mantsy no voafantina hanao ity hetsika ity ka ankoatry ny ACEEM, sekoly tsy miankina, dia misy sekolim-panjakana iray sy sekolim-pinoana iray.
Atoa Ratrema William, mpanorina ny vondrona ACEEM kosa no nanambara fa tsy vao izao ny ACEEM no mifantoka amin'ny kolotsaina malagasy. Maro ireo mpanoratra sy mpandalina tantara miara-miasa amin'ny vondrona ACEEM.




Ny Sinoa eto Madagasikara
==========================
Dikan-teny
Gaga tokoa angamba ianao, mahita lahatsoratra lehibe toy izao ao anaty gazety Malagasy, soratana amin'ny teny sinoa. Ivelan'ny raharaha makotroka any Tibet, dia natao izao lahatsoratra izao ampisehoana fa mihamaro hatrany ny fianakaviambe sinoa mamokatra eto Madagasikara. N'aiza na aiza tokoa tany alehan'izy ireo dia maneho firaisankina azo atao anatra sy lesona ho antsika izy ireo, raha tsy hiresaka afa tsy ny fanaovana « China Town » etsy sy eroa. Mety hisy va re indray andro any « Malagasy Town » ary amin'ny firenena hafa ? Sa noho ny havitsiana dia indraindray aza ny eto Madagasikara mbola voasaratsaraky ny zava-maro. Misy amin'izy ireo na teny anglisy, na teny malagasy, na teny frantsay aza tsy hainy, nefa toa voaray an-tànana sahady ny ho aviny.
Fitadiavana, fizahantany ve no mahazaka maniraka ? Raha izany tokoa mantsy, tsy tokony ho vaovao amintsika Malagasy izany. Raha tsy nisy ny magazay sinoa, toa mety mbola betsaka angamba ny Malagasy tsy nikiraro ; raha tsy nisy ny magazay sinoa, mbola mety an-kavitsiana angamba ny Malagasy manafatra entana any « Chine » amidy eto an-toerana. Izao tokoa angamba ilay tonga amin'ny fitenenana tsotsotra hoe « rehefa any an-tany lavitra dia mahay mifanampy sy mifanohana ».
Aiza ho aiza ny Gasy vao tonga (GVT) sy ireo efa ela nihetezana any an-dafy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny firaisankina ?
Ny Karana sy ny Sinoa dia tokony hisintonantsika Malagasy lesona amin'ny fihariana sy ny fifanampiana amin'ny lafiny fandraharahana.




Hanova tononkira ve i Rossy ?
Tonga i Rossy, faly ny mpankafy azy. Tsy tonga hamendrofendro fa hitondra aina vao ho an'ny mozika Malagasy. Mpanakanto tsy zoviana amin'ny maro, ary volana maro lasa izay dia nandalo teto an-tanindrazana ny lehilahy rehefa nanambara fa nikaroka teo amin'ny tontolon'ny mozika nandritra ny taona maro tany ivelany.
Mpanakanto nanao politika ihany koa ny tenany, nefa dia nanambara fa hatao an-tsisitosy ny politika fa ny zava-kanto no ho trandrahina manomboka izao. Diso hevitra izany aloha hatreto ny mpanao politika, izay nihevitra fa ho atao fitaovana amin'ny lafiny maro i Rossy. Lehilahy tsy mitsitsy eo amin'ny tononkira ary samy nahazo ny anjarany avokoa ny mpitondra izay tsy mifanitsy amin'ny fomba fijeriny. Tsaroan'ny maro ilay hira mitondra ny lohateny hoe « Lera », izay làlana iray nampiongana an'i Zafy Albert tamin'ny toerany rehefa niverina an-tanindrazana ny amiraly Ratsiraka.
Nahazo ny anjarany ihany koa ny filoha ankehitriny izay voateny ho mpivarotra ronono, ary tsy zoviana amin'ny rehetra ilay hira hoe ny « anjely mainty no azon'ialahy lokoina, fa ny tarika Rossy tsy azon'ialahy vonoina ». Taona 2008 isika izao, hanova ireo tonon-kira ireo ve i Rossy sa ahoana ? Maro ihany ireo tononkira mifono hafatra maharary izay sendra azy. Ny azo antoka dia vonona hifanome tànana amin'ny fanjakana ity mpanakanto malaza ity, satria olona tia fivoarana i Rossy.
Miandry ny rehetra raha hisy fihaonana eo amin'ny filoha Ravalomanana sy ity mpihira ity, satria fampandrosoana iraisana no apetraka fa tsy famotehina. Andrasana ny tohiny, ary miandry ny fampisehoana ny rehetra.




Hetsiky ny mpianatra
Manameloka ny fisamborana
Voaantso tetsy amin'ny tobin'ny zandary Fiadanana i Mamy Jo ny alarobia lasa teo. Tsy niatrika ny fian tsoana azy nefa ity farany satria tsy ny anarany manontolo no hita tao anatin'io fiantsoan'ny zandary etsy Fiadanana io. Momba ny fanetsiketsehana ny mpianatra izay niseho andro vitsy lasa no votoatin'ny fiantsoana.
Mamy Jo dia filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny anivon'ny ambaratonga ambony antsoina hoe JERM « Jeunes Etudiants de Madagascar ». « Olona mahalala lalàna aho ka tsy hanaiky ny fandrahonana atao ahy », hoy ity mpitarika mpianatra eny Ankatso ity. « Ho tohizako ny fitakianay mpianatra, dia ny resaka vatsim-pianarana, sy ny fanomezana trano ho an'ny mpianatra izany. Heloka ve ny fitakiana tahaka izany ? » Manoloana izany fiantsoan'ny mpitandro ny filaminana ity mpianatra ity, dia nanao fanambarana ny solontenan'ny mpianatra any amin'ny faritany, izay manameloka ity fiantsoana tampoka an'i Mamy Jo ity. « Ny fanjakana tokony handinika tsara ny olan'ny mpianatra fa tsy hambara ho mpanakorontana lava izahay. Tsy andositra aho fa miandry izay mpitandron'ny filaminana hisambotra ahy », hoy ny filohan'ny JERM.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata 15 Aprily 2008 teo amin'ny faha 75 taonany.
Hoy
Ny vadiny :
RATIARISON Théodora, teraka RATEFIARISON
Ny zanany :
RATIARISON Christian sy Miara
RATIARISON Eric
RATIARISON Hervé sy Harilandy
RATIARISON Didier sy Nirina
RATIARISON Roland sy Henintsoa
Pasteur RAOBINARISON Solohery sy Geneviève
RALAMBOTIANA Toky sy Julie
Ny Zafikeliny :
Iris, Christiana, Adonia, Adriel RATIARISON - Johanna, Kevin RATIARISON - Miranda RATIARISON - Liantsoa, Mirantsoa, Nirintsoa RATIARISON - Matthieu, Henintsoa, Grâce RAOBINARISON - Miora, Daniel, Jonathan RALAMBOTIANA
Ny iray tampo aminy :
* Terak'Itpkl RATIARISON Joseph Granduel sy BETCHER Cécile
* Terak'Itpkl RAVELONARIVO Régis sy Itpkv RATIARISON Rahelisolo
* Terak'Itpkl RATIARISON Mamy Honoriüsel sy Itpkv RAZANAMAHASOA Lucie
* Terak'Itpkl RABENAIVO Gilbert sy Itpkv RATIARISON Fortunelle - * Terak'Itpkl RATIARISON Edmond Fortel sy Itpkv RAMANDARIVOLA Yvonne
* RAZAKATIANA Raymond sy RATIARISON Donorel sy ny zanaka aman-jafiny
* Terak'Itpkl ANDRIAMAMPIHENIKA Benjamin sy Itpkv RATIARISON Charmelle
* RATIARISON Orangelle Lalarivero sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
* RAJAONA Therre Clément sy Alice ary ny zanaka aman-jafiny
* RANDRIANARISON Arnold sy Louise Aimoe ary ny zanaka aman-jafiny
* PERRIER Gérard sy Irène ary ny zanaka aman-jafiny
* Terak'Itpkv RATEFIARISON Jeanine sy ny zanany
* RATEFIARISON Georges Henri sy Geneviève ary ny zanany
* RATEFIARISON Gérard Ferdinand sy Sabine ary ny zanany
* GIBERT Pascal sy Raymonde sy ny zanany.
Ny havany :
* Terak'i Pasitera RAJHONSON sy Itpkv RAZAFITSEHENO
* Terak'Itpkl RAVELOMANANTSOA RATSIMIAH sy Itpkv RAZOELY Berthine
Ny Fiangonana Antranobiriky FMTA, ny FJKM Ambodifasina, ny FJKM Ambohipaniry, ny FJKM Masindray
Ny Fokontany Ambatoroka, ny Fokontany Ambohipaniry.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot VB 81 G Ambatoroka ny Asabotsy 19 Aprily 2008 amin'ny iraika ambin'ny folo ora sy sasany . Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Antranobiriky FMTA alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohipaniry Ampanataovana.
« Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako... »
(Isaia 54/10)




POUR TÉMOIGNER DE SA PRÉSENCE DANS
L'ABSENCE, QU'UNE PENSÉE PIEUSE DE VOTRE PART
L'ACCOMPAGNE DANS SON REPOS.
SA FAMILLE




Tsy hisy fahagagana
Tapitra anio ny fampielezan-kevitra ho an'ireo kandida ho loholon'ny faritra eto Madagasikara. Hiroso amin'ny latsa-bato ny mpifidy vaventy rahampitso alahady. Miandry izay ho loholona vaovao ny rehetra.
Tsy dia hisy fahagagana firy, raha ny olona hiakatra etsy amin'ny lapan'Anosikely no jerena. Tsy maintsy ho maro an'isa ao TIM, satria saika olon'izy ireo no handatsa-bato rahampitso. Midika izany fa ny isam-bato sisa isaina. Ny endriky ny filoha hipetraka ao dia efa resabe mandeha ny momba ny filohan'ny TIM Yvan Andriasandratriniony. Ny olona ho tendren'ny filoham-pirenena ihany koa dia efa samy miseho masoandro avokoa izy ireo. Izay tsy miteny matahotry ny tsy ahazo toerana. Tsy misy maha-ratsy izany satria politika no lalaovina, ary mahatsapa ny olona heveriny ho ahavita azy ny filohan'ny nosy. Aorian'io fifidianana io, dia tafapetraka avokoa ireo rafim-panjakana eto. Ho azo antoka amin'izay ve ilay fandrosoana tadiavin'ny vahoaka, indrindra fa ny mpiara-dia amin'ny fanjakana no tonga eo ?




Fambolena eto Madagasikara
Tsy mety manan-karena ny tantsaha
Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana.
Fanentanana natao ho an'ny tantsaha rehetra ny teny hoe « mamokara », satria io no antoky ny fampandrosoana. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny karazana fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha na eo amin'ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. Nijoro ny karazana banky toy ny CECAM sy ny OTIV ary ny ADEFI hampindram-bola ireo manana tetikasa tsara rindra, ary mirary ny zana-bola satria kely no alaina amin'izy ireny.
Mitombo ny mponina ary mahatratra 18 tapitrisa isika eto. Ny hita anefa dia miha-mahantra ny mpamboly sy mpiompy. Faritra maro no tratran'ny tsy fahampian-tsakafo. Mangataka lava amin'ny firenena any ivelany raha vao tonga ny rivo-doza. Miditra eto amintsika ny vahiny manazary ny tany azo volena, ary isan'ireny ny eny antampon' Ihorombe izay volen'ny vahiny katsaka. Miditra ihany koa ny vahiny eo amin'ny fambolena tongolo. Vokatra maro no andrandraina ho azo amin'io, aondrana any ivelany fa tsy amidy eto an-toerana. Matoa hifanotofan'ny vahiny ny fambolena ny tanintsika, dia azony antoka fa hampanan-karena azy. Isika anefa mba ahoana ?
Kivy ratsy ny tantsaha Malagasy, fa izay nasosoka maty masony avokoa. Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Mitsoaka mandositra ny tanindrazany ny ankamaroan'ny mponina ka ny tanan-dehibe no hifanotofany. Mikarama kely eny izy, dia mahita ny harapaka anio. Zary lava volo ny tany naha-lehibe, ary haolo ny tranon-drazana. Ny biby fiompy kely izay mba tavela tamin'ireo mbola nikiry ny hijanona any amin'ny tany nihaviany, lasan'ny dahalo. Na eo aza anefa ireo dia tsy vitsy no mbola manohy ny fambolena sy ny fiompiana, saingy hita fa mahantra izy ireny. Ny vidin'ny masom-boly sy ny zezika miha-lafo andro aman'alina. Ny vidim-bokatra anefa tsy toy izany, fa ny mpijirika no voky alohan'ny nisasatra.
Miezaka mandefa teknisianina isan-karazany eo anivon'ny ministeran'ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanjakana, saingy toa tsy maharaka amin'ny fanentanana ny mponina. Mpanentana iray ho an'ny tantsaha arivo mahery, koa inona no ho vita amin'izany. Ny toerana misy ny tantsaha mitsitokotoko, ka zary vizana alohan'ny fotoana io mpanentana io. Hanafatra teknisiana avy any Alemana indray ny filoha Ravalomanana hanazava ny tokony ho ataon'ny tantsaha, ary hipetraka any ambanivolo mandritra ny 5 taona io. Nahoana ny vahiny mamokatra eto velona fa isika no fadiranovana andro aman'alina ? Inona no politika mahomby entin'ny fanjakana. Miandry ny vahaolana isika, fa ny tanjona dia hamokatra ho mpanankarena, fa tsy hiandry ho toloram-potsiny lava izao.




Fitorian'ny mpiasa BFV-BTM
Nihemotra amin'ny 16 May ny didy
Tomefy mpiasa tao amin'ny BTM sy BFV teo aloha tetsy amin'ny fitsarana omaly. Niandry ny vokatry ny fitsarana tamin'ny fitorian'izy ireo ireo olona nanodikodina ny vola tokony ho an'ny mpiasa niala an-tsitra-po tao amin'ireo banky ireo.
Nahemotra amin'ny 16 Mey indray ny didy momba ity raharaha ity. Ny mpiasa « déflatés » teo anivon'ny BFV sy BTM ireo, dia miantso ny mpiasa rehetra mba hiara-hitaky ny rariny amin'ny fanomezana ny anjara-volan'izy ireo. Ar 20 tapitrisa isan'olona no fampanantenana nomena azy ireo amin'ny fialàny an-tsitra-po tao amin'ny toeram-piasany, saingy nivadika izany tato afara, ka nambara fa Ar 10 tapitrisa isan'olona indray no omena. Io vola io anefa hatramin'izao mbola tsy azo fa vao ampahany kely fotsiny no nomena ny mpiasa. Ny TAFA no voalaza fa fototry ny olana ary io no notorian'ny mpiasa ho nanodina ny volany.
Voaheloka herintaona an-tranomaizina ny TAFA, ary io nampiakatra fitsarana ambony omaly io.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata 15 Aprily 2008 teo amin'ny faha 75 taonany.
Hoy
Ny vadiny :
RATIARISON Théodora, teraka RATEFIARISON
Ny zanany :
RATIARISON Christian sy Miara
RATIARISON Eric
RATIARISON Hervé sy Harilandy
RATIARISON Didier sy Nirina
RATIARISON Roland sy Henintsoa
Pasteur RAOBINARISON Solohery sy Geneviève
RALAMBOTIANA Toky sy Julie
Ny Zafikeliny :
Iris, Christiana, Adonia, Adriel RATIARISON - Johanna, Kevin RATIARISON - Miranda RATIARISON - Liantsoa, Mirantsoa, Nirintsoa RATIARISON - Matthieu, Henintsoa, Grâce RAOBINARISON - Miora, Daniel, Jonathan RALAMBOTIANA
Ny iray tampo aminy :
* Terak'Itpkl RATIARISON Joseph Granduel sy BETCHER Cécile
* Terak'Itpkl RAVELONARIVO Régis sy Itpkv RATIARISON Rahelisolo
* Terak'Itpkl RATIARISON Mamy Honoriüsel sy Itpkv RAZANAMAHASOA Lucie
* Terak'Itpkl RABENAIVO Gilbert sy Itpkv RATIARISON Fortunelle - * Terak'Itpkl RATIARISON Edmond Fortel sy Itpkv RAMANDARIVOLA Yvonne
* RAZAKATIANA Raymond sy RATIARISON Donorel sy ny zanaka aman-jafiny
* Terak'Itpkl ANDRIAMAMPIHENIKA Benjamin sy Itpkv RATIARISON Charmelle
* RATIARISON Orangelle Lalarivero sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
* RAJAONA Therre Clément sy Alice ary ny zanaka aman-jafiny
* RANDRIANARISON Arnold sy Louise Aimoe ary ny zanaka aman-jafiny
* PERRIER Gérard sy Irène ary ny zanaka aman-jafiny
* Terak'Itpkv RATEFIARISON Jeanine sy ny zanany
* RATEFIARISON Georges Henri sy Geneviève ary ny zanany
* RATEFIARISON Gérard Ferdinand sy Sabine ary ny zanany
* GIBERT Pascal sy Raymonde sy ny zanany.
Ny havany :
* Terak'i Pasitera RAJHONSON sy Itpkv RAZAFITSEHENO
* Terak'Itpkl RAVELOMANANTSOA RATSIMIAH sy Itpkv RAZOELY Berthine
Ny Fiangonana Antranobiriky FMTA, ny FJKM Ambodifasina, ny FJKM Ambohipaniry, ny FJKM Masindray
Ny Fokontany Ambatoroka, ny Fokontany Ambohipaniry.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot VB 81 G Ambatoroka ny Asabotsy 19 Aprily 2008 amin'ny iraika ambin'ny folo ora sy sasany . Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Antranobiriky FMTA alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohipaniry Ampanataovana.
« Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako... »
(Isaia 54/10)




« Misaora an'i Jehovah ny fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny anarany masina ».
(Sal 103 : 1)
Amin'ny finoana sy fanantenana ary ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay :
Dia niamboho ny Alarobia 16 Aprily 2008
Hoy
Ny vadiny :
RASOAVOLOLONA Charline
Ny zanany :
ANDRIANASOLO Volana Miarisoa
ANDRIANASOLO Masoandro Heritsilavo Ny Aina
ANDRIANASOLO Kintana Heritiana Ny Aina
Ny reniny : RAVAOHARISOA Jeanne
Ny rafozany :
RASOAMIADANA Marie Jeanne
Ny iray tampo aminy :
* ANDRIANASOLO Jean Aimé mivady sy ny zanany
* Terak'ltpk ANDRIANASOLO Vololoniaina
* ANDRIANASOLO Andosoa Oliva sy Sahondra ANDRIAMANOHISOA Ratovoarimanana mivady sy ny zanany
* ANDRIANASOLO Tovo Benjamina mivady sy ny zanany
* Drs ANDRIANASOLO Miakajato sy Haingomalala (France)
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
* RAZANAMIADANA Céline sy ny zanaka aman-jafiny
* RATOVONIRINA Dieudonné mivady sy ny zanany
* RAMANANA Hanitra Nenette sy ny zanaka aman-jafiny
* RANIVOARISOA Bodo sy ny zanaka aman-jafiny
* RASOAFARA Agnès sy ny zanany
* RANAHAKA Benja
* RANIVOSOA Nirina sy ny zanany
Ny havany :
* Terak'ltk/hy RAKOTO Andrianavy sy Itk/vy RASOANJAVAO
* Terak`ltk/hy RAMALANJAONA
* Terak'ltk/hy Andriana RAKOTO Gabriel
* Terak'ltk/hy RAFINDRANAHAKA sy Itp/vy RASINIVO
* Terak'ltk/vy RAZAFINDRANASY
* Terak'ltk/hy RATSIMANDISA sy Itk/vy RATONGALIKOLAMENA
* Terak'ltk/hy RALAIVAONDRINA Joseph sy Itk/vy RASOAFARA Marie
* Ny fianakaviana RAHAROVOATRA
CHEF CISCO sy ny mpiara miasa aminy Antananarivo Avaradrano ZAP - Atsinanantsena sy ny Tale rehetra mpiara miasa aminy/
Ny Fiangonana, Anglikana TRINITE MASINA Avaratranjoma. ny Fiangonana Anglikana SANTA MARKA Antsahatsiresy, ny Fiangonana FJKM Anosy Avaratra, ny Fiangonana FJKM Imeritsiafindra Ambohitrandraina Ambatomirahavavy
Ny Fokontany : Antsahatsiresy - Sabotsy Namehana. Cité Ampefiloha - Tsarahasina Ambohimangakely
Ny nofony dia hiala ao an-tranony « COLLEGE PRIVE HARISOA » Antsahatsiresy Alatsinainy 21 Aprily 2008 amin'ny 12 ora ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Anglikana TRINITE MASINA Avaratranjoma ary hafenina ao Tsarahasina Ambohimangakely.
« Fa izaho mahalala ny hevitra iheveranako anareo hoy Jehovah dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany ».
(Jeremia 29 - 11)




Hisava ny haizina
Vita indray aloha iny ny fifidianana izay ho loholona isaky ny faritra. Nanjaka ny antoko matanjaka, ary ho azo antoka fa hiainga avy amin'io ny ho filohan'io andrim-panjakana io.
Samy nanana ny fomba fijeriny ny fampielezan-kevitra ny maro, izay nisian'ny fanankianana maro momba ny fanibohana ny mpifidy vaventy amin'ny toerana iray, ary vokisana sakafo sy omena tombontsoa isan-karazany, mba ho azo antoka fa tena tsy hisy hivadika amin'ny ora farany.
Midika io fa tsy azo nataon'ireo ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaim-paritra ny mitafa amin'ny kandida hafa. Tsy kolikoly izany hoy ny mpitazana hafa fa fomba fiady entina handresena ny mpifaninana. Miandry ny didy hivoaka sisa izany dia ho tafapetraka amin'ny fomba ofisialy amin'ny toerany ny loholona vaovao eto Madagasikara.
Hatreto dia saika ny antoko mpiara-dia amin'ny filoha Ravalomanana no maro an'isa amin'ny sehatra rehetra. Miainga eny anivon'ny kaominina mipaka hatreny amin'ny depiote ary hatrany amin'ny mpanolontsaim-paritra sy ny loholona. Hisava amin'izay ny haizina hoy ny mpitazana, satria efa tsy tazana amin'ny andrim-panjakana intsony ireo mpanohariana nitsivalam-pandry ny asa tokony hatao. mItazana ny fahaiza-miasan'ireo ny vahoaka, ary tsy tokony ho hita intsony ny fialana andraikitra toy ny mahazatra. Ny fanamboarana ny Governemanta sisa andrasana dia efa lasa izao. Sa inona indray no mbola handrasana ?




Anosy * Mitohy ny fanadiovana
Atahorana ny valifaty !
Miasa isaky ny alina ny fokontany Andrefan'Ambohijanahary IIIG-IIIM Cité Jardins-Cité Gallois, hamerina ny fandriampahalemana eny amin'iny faritra saropady iny.
Olona 20 teo ho eo no voasambotry ny andrimasom-pokonolona tamin'ny fotoana nanombohana ny hetsika nialohan'ny Paska teo ka nisy ny tratra ambodiomby naka trondro tao amin'ny farihin'Anosy, ary ny sasany nahiana ho mpivaro-tena sy mpanao asa ratsy amin'ny faritra manodidina ny farihy ka nosamborina ihany koa rehefa tsy nanana taratasy mazava.
Very maina ihany anefa ny ezaka izay iarahan'ny fokonolona eny an-toerana amin'ny mpitandro filaminana nohon'ny tsy fahafaha-mitazona ireo voasambotra mihoatra ny fe-potoana voafaritry ny lalàna. Tsy tratra nanao heloka ahazoana mitondra azy eny amin'ny fitsarana ny ankabeazan'ireo olona ireo, araka ny fanazavan'ny mpahay lalàna nohatonina, ka tsy maintsy votsoran'ny polisy rehefa nofantarina ny momba azy. Fantatry ny mponina mazava kosa anefa fa ireo mitoby ao amin'ny farihin'Anosy na andro na alina ireo no olon-dratsy mandoto ny tanànany nefa tsy azo atao na inona na inona satria tsy misy vesatra itazonana azy amin'ny fotoana ahasamborana azy ireo. Mitohy foana anefa na izany aza ny asa fanadiovana ataon'ny ao amin'ny fokontany, indrindra taorian'ny nahazony fanampiana tamin'ny olomboafidy sy ny mahalala tanana amin'ny fiatrehana io andraikitra io, ary vao nivory momba ny fananganana andrimasom-pokonolona ny faritra faha-3, faha-4 ary faha-5 tamin'ny sabotsy teo tao amin'ny Epp Andrefan'Ambohijanahary. Mandefa rahom-bava sahady kosa anefa, etsy an-daniny, ireo mpitoby ao amin'ny farihin'Anosy voakasiky ny fanadiovana fa hamaly faty amin'izay andrimasom-pokonolona tratrany satria, hono, manelingelina sy manala baraka azy ireo...
Toerana maizina anjakan'ny tontakely hatramin'izay iny manodidina ny farihin'Anosy iny nefa tsy misy fepetra manokana raisin'ny tompon'andraikitry ny fandriampahalemana ka lasa ny samy olon-tsotra sisa no hifandramatra nohon'ny fanadiovana azy. Tsy misy asa ratsy tsy mitranga eny : fanendahana, sintomahery, fandratrana, fivarotan-tena, filokana, fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina sns... na andro na alina ka mampitondra faisana izay tratra mangingina eny.




Tsy mbola tafita ny hafatra
Hifantoka kely any amin'ny kolontsaina Malagasy ny lahatsoratra anio. Kolontsaina izay mitady ho very noho ny fitobaky ny kolontsaina vahiny be loatra eto amintsika. Zary diso tsara toerana be loatra eto ny haren-tsaina vahiny. Vokatry ny fanatontoloana miha-mahazo vahana eran-tany io. Tsy dia ratsy loatra ny manaraka sy mandinika ny an'ny hafa, fa ny fanariana ny soa-toavina maha-malagasy no mampalahelo.
Raha eo amin'ireny hira nataon'ireo zoky raiamandreny tany aloha, toa tsy tazana intsony ny ankamaroany. Firy amin'ny tanora antoky ny ho avy rahampitso no mahalala izany ? Raha ny hira vahiny anefa toa hay tsianjery izay mivoaka. Safidy io, nefa aoka ny fanabeazana ny tanora mba ho tafiditra ao ny fampahafantarana ireo harentsaina mba tsy aha-tompon-trano mihono ny taranaka aty afara. Inona no sakana tsy ameloma-maso ireny harentsaina ireny ? Azo heverina fa ireny no isan'ny maha-firenena ny firenena. Ny fitondrana ankehitriny dia hita fa miezaka ny hamelo-maso ireny harena ireny, nefa raha ny hita dia ny minisiteran'ny Kolontsaina toa kely ny teti-bola ao aminy raha mitaha amin'ny minisitera hafa. Izay no hilazana fa mbola tsy tafita ny hafatra. Isika rehetra anefa no antoky io, koa samia mitandrina mba tsy ho rendrika ao anatin'izao fifaninanana mahery vaika izao ny kolontsain-tsika Malagasy.




Fitaterana an-drenivohitra
Miverina ny gaboraraka
Manao ny ataony indray ny taxi-be eto an-drenivohitra eto izay toa baranahiny ka manaram-po. Isan'andro dia andrenesana fitarainana ny fomba fiasan'ireo taxi-be, izay zary mahazatra ny mandre azy ka tsy mahataitra firy. Ny andro alahady kosa no ahitana ny fomba ratsy ataon-dry zalahy. Tamin'ny alahady teo dia fiara taxi-be maromaro no saika nitera-doza, izany hoe mandram-paharivan'ny andro dia tandindonin-doza hatrany ireo mpandeha. Mamo ny mpamily sy ny resevera ka mifanenjika amin'ity fiara toa tsy azo antoka akory. Rehefa notenenin'ny mpandeha ny mpamily iray, niainga teny Andoharanofotsy, dia ity mpamily indray no tezitra ka novonoiny ny motera, ary nivoaka ny fiara izy ka nanoko resa-toaka teo izy sy ny resevera. Teo ka teo, afaka 10 mn vao niainga indray. Nirimorimo miditra ny tetezam-by eo Tanjombato ny lehilahy ka kely foana no tsy nisehoan'ny loza. Nanomboka niala tsy fidiny ny mpandeha sasany satria ilay mpamily efa difotra tanteraka.
Rehefa nandeha ny feo dia fantatry ny mpandeha sasany fa resevera ity nitondra fiara, fa tsy teo ny tena mpamily. Vorona azon'adala marina ka na ny fitandroana ny fiara aza tsy vita.
Raha ny marina dia toetra tsy afaka amin'ireo mpitatitra intsony izao iainana izao. Tsy ho voafehy intsony ka rariny raha handraisana fanapahan-kevitra hafa. Ho avy tokoa ny fiara vaovao, mahazaka olona 30 isa, malalaka tsara. Na an'iza io na an'iza dia aleo hiditra fa mamonjy ny vahoaka. Maromaro ireo fiara ho avy, araka ny feo mandeha ka ny hanala fahasahiranana ny mpandeha taxi-be indrindra no vontoatiny.
Tato ho ato koa dia vehivavy maromaro no saika naratran'itony taxi-be itony. Manjaka indray mantsy izao ny fifanenjehana ka na tsy tafakatra akory aza ny mpandeha dia miriotra ny fiara. Matetika dia eo am-pidinana na fiakarana amin'ny fiara ireo vehivavy lehibe no tratran'ity fandehanana tampoka ity.




Fanendrena loholona
Miandrandra toerana ny mpanohana ny fitondrana
Vita ny fifidianana loholona. Nanjaka ny antokon'ny fitondrana dia ny TIM izany. Nifanome ny vatony ho an'io antoko io avokoa ireo mpifidy vaventy avy amin'ny fikambanana samy hafa, ka maro no nahitana 100% ny vokatra azo.
Faharesen-dahatry ny mpifidy vaventy sa tahotry ny mety ho ankivy amin'ny kaominina tsy miray tendro amin'ny fitondrana no nahitana ireny 100% ireny ? Maro ireo ben'ny tanàna tratra antso an-tariby izay nanambara, fa aoka aloha izay ny ady lahy politika fa ny asa hampandrosoana ny kaominina sy ny faritra izao no maika.
Fa isan'ny mitana ny sain'ny maro ireo loholona 11 ho tendren'ny filoham-pirenena. Maro ny manantena fisokafana amin'io, saingy tsy hisy anjara toeran'ny mpanohitra kosa. Ireo niara-dia tsy mba nivadika tamin'ny filoha no manantena io. Isan'izany ny Grad Iloafo, ny Arema matotra, AMF/3fm, Ny Teza, ary ireo antokom-pinoana izay manana ny olona heveriny fa afaka ny hifanome tanana amin'ny filoha. Tsy azo atao ambanin-javatra io olona avy amin'ny finoana io. Voafetra ny daty hanendrena ireo loholona ireo, ary andrasana fatratra izany olona izany, ary ny azo antoka dia tsy olon'ny TIM intsony no betsaka ho tendrena fa hisy fisokafana amin'ireo mpiray donak'afo.




Orin'asa afaka haba
Misy mitady hampiasa ny datin'ny 1 mey
Kivy ratsy sahady ny mpiasa amin'ny orin'asa afaka haba eto andrenivohitra fa kasain'ny lehibeny hanenjika asa maika amin'ny voalohan'ny volana mey. Hisy tambin-karama omena izay mpiasa miasa araky ny vaovao niely teny Tanjombato. Maro tamin'ny mpiasa no tsy nanaiky izany, ary vonona ny hifanakalo hevitra amin'ny mpampiasa azy. Tsy noterena kosa anefa ny mpiasa fa an-tsitrapo no hanaovany ny asa raha mazoto. Vanin'andro iray mba ahafahan'ny mpiasa mankalaza ny « Fetin'ny asa » eran-tany io, ary hifanakalozana hevitra momba ny zo tokony hanana'ny mpiasa, saingy misy sahady ny mitady hitsivalam-pandry. Ny CTM no hitarika ny filaharam-be, ary hatramin'ny ora hanoratanay, dia mbola tsy nivaly ny alàlana ahazoana manao io filaharana io.




Ny vady aman-janak'Itompokolahy RATIARSON Charles Hardel dia maneho etoana ny fisaorana sy fankatelemana ho anareo rehetra izay tonga nidodododo sy nampahery ary nitondra am-bavaka tamin'ny namoizany ny malalany :
Miala tsiny amin'ireo rehetra izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Sorgho
Essai concluant
L'essai de production de sorgho a été plus que satisfaisant. Hier matin à la vitrine de Madagascar à Iavoloha s'est déroulée la présentation des résultats de la culture de sorgho. Une activité gérée par la région de l'Itasy et la Fofifa. Cet essai s'est avéré être un succès car la récolte a été très bonne. Le président de la République, après avoir visité certaines régions, a constaté que la production a été positive. Selon le représentant de la FAO, la texture de la récolte est très privilégiée en Afrique de l'Ouest. Comme au Mali, la culture de sorgho est déjà très répandue et aussi, très favorisée. L'Androy sera la prochaine région pour la culture de sorgho dont la production commencera le 24 avril.
60 tonnes de semence de sorgho seront importées en vue d'en récolter plus de 10.000 tonnes. Ils seront répartis dans le Sud de Madagascar pour venir en aide aux personnes défavorisées par la famine. La culture de sorgho est adaptée à un climat chaud et ne requiert pas beaucoup d'eau comme le maïs. On peut très bien le substituer au riz. Avec le sorgho, on peut produire du sucre, de la farine, et on peut aussi fabriquer de la bière. Des plats à base de sorgho ont été exposés. Des techniciens supérieurs qui ont suivi une formation en Californie ont aussi partagé leurs acquis à l'assistance.




Ny asa vita no hifampitsarana
Resaka an-dàlam-be indray ny anaran'olona mety handravaka ny Governemanta atsy ho atsy. Tombana avokoa ho an'ireo izay mba manana hevitra sy mpanao fanadihadiana politika rehetra izany. Liana ny maro, satria tsy ny olona handray ny fahefana no mahaliana fa ireo voahaisotra amin'ny toerany.
Tsy ho takona afenina amin'ny filoham-pirenena anefa ireo tena nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Andraikitra izay mifanitsy amin'ny filan'ny firenena, fa tsy sanatria ho amin'ny tombontsoa manokana. Na dia samy mihevitra ho nahavita be tamin'izany aza ny ministra isan'isany, dia ny fiantraikany any amin'ny vahoaka no tena zava-dehibe. Ny fahasahiana nandray andraikitra ihany koa dia ho tarafin'ny rehetra, indrindra fa ny filoha. Ny asa vita eto no hifampitsarana. Hatreto dia mihazakazaka ny toe-draharaha, satria ny olona 11 ho tendrena ho loholona mbola andraikitra goavana ho an'ny filoham-pirenena, ary etsy ankilany ny ao anaty Governemanta. Tsy ny olona omena andraikitra no tsy misy fa ny azo hitokisana. Miandry ny rehetra, ary tsy ho diso ny maro raha samy manombana izay heveriny fa hipitihan'ny vintana hahazo izany toerana goavana izany.




67 ha
Tsenan'ny olon-dresy
Toy ny toerana fanaovana lavanty eto amin'ity toerana, amoron'ny lakan-drano etsy 67 ha, amin'izao fotoana izao. Hita eto avokoa ny entana rehetra mahakasika ny tokan-trano sy lakozia.
Taona vitsy tokoa izay no nitaran'ity tsena ity, raha fivarotana lamba sy entana madinidinika teny am-piandohana. Manomboka amin'ny sotro sy vilia ny entana hita eto, miakatra amin'ny fitafiana isankarazany. Mampiavaka azy anefa ny entana rehetra izay efa nampiasaina. Vilany, vata fampangatsiahana, zava-maneno isankarazany, kiraro tonta, eny hatramin'ny kilalaon'ny ankizy aza. Ny tena mampiavaka ny eto dia ny fivarotana fahitalavitra.
Nitombo isan'andro ny olon-dresy amin'ny fiainana tonga mivarotra fananana eto. Amin'ny malagasy mantsy dia ny olona resy eo amin'ny fiainana no mivaro-pananana ka tombanana ho mivarilavo. Araka ny nambaran'ny mpivarotra iray moa dia tsy halatra loatra, araka ny fiheveran'ny olona sasany, ny entana amidy eto. Misy taratasy ara-dalàna avokoa ny fifampivarotana ka nohamafisiny fa fianakaviana handeha hamonjy tanindrazana noho ny fiainan-tsarotra no mivarotra ny entany. Manaporofo izany moa ny fisian'ny entana feno, avy amin'ny tokantrano iray. Tsy vitsy koa anefa ireo mpifindra monina noho ny asa, ka izay tsy zakany no amidiny eto.
Fianakaviana am-polony no mivelona eto amin'ity tsena amoron-dàlana ity. Amin'ny ankapobeny dia azo mora ny entana eto, raha mahay miady varotra. Mitovitovy amin'ny vidiny eny amin'ny magazay mantsy no hanombanan'ireo mpivarotra ny vidiny.
Aoka koa anefa hazava fa tsy ilaozan'ny entana halatra eny amin'izy ireny. Efa nisy tokoa ny fotoana nahasaronana entana halatra teto.
Soa fa raisin'ny mpivarotra ny laharan'ny karapanondro ka tsy sarotra ny misambotra azy.




Fjkm Andraharo
Mangataka fihaonana amin'ny filoham-pirenena
« Mila fanaovazana ny tranon'Andriamanitra eto Andraharo. Tsy avelanay raha tsy tafajoro ny trano biriky ary ny fototra vato ». Trano hazo kely ny fiangoanana FJKM eto Andraharo, hoy ny pasitera Eliane izay mitandrina ao. Manana mpino 500 ary mpandray fanasan'ny tompo 80. Fahasahiranana tanteraka ny hita miatra amin'ny mpino, satria saika honahona no hita manodidina ny fiangonana. Raha misy ny rivo-doza dia tafiditra ao ampiangonana ny rano maloto. Tsy hikely soroka anefa ny mpino fa tsy maintsy hiezaka hanarina ity tranon'Andriamanitra ity. Nisy ny rindran-kira nataon'izy ireo ny alahady teo mba ho enti-manana ny fanamboarana. Tsy ampy anefa io, ary hangataka fihaonana amin'ny filoha Ravalomanana izy ireo ato ho ato mba hiandrandra fanampiana, satria ny filoham-pirenena dia miezaka manampy ny fiangonana.
Izay vonona hanampy ity FJKM etsy Andraharo ity, hoy ramatoa Pasitera dia raisina an-tanan-droa.




Itasy
Le TIM reste sans voix
Interrogés hier sur le cas des pressions subies par les grands électeurs de la région d'Itasy, les hauts responsables du parti politique Tiako I Madagasikara (TIM) restent sans voix. Hier matin, les responsables du parti se sont réunis avec le chef de Région selon nos sources auprès de ce parti. Mais jusqu'au bouclage de cet article, aucune information n'est sortie de cette réunion.
Les accusations lancées contre le chef de région d'Itasy, les chefs district, et le candidat sénatorial du pouvoir dans cette région portent atteinte à l'intégrité du parti, mais ses hauts responsables n'ont pas de commentaires à faire jusqu'à présent. Interrogés sur leurs défenses, ils répondent par le silence.
Au niveau de la Haute Cour Constitutionnelle, le silence est aussi la règle. L'instruction a été claire hier « aucun journaliste n'est recevable jusqu'à nouvel ordre ». Ainsi nous ne savons rien sur les plaintes déposées par les candidats aux élections sénatoriales jusqu'à la sortie des résultats officiels.
Pour l'heure le résultat de l'élection sénatoriale de la région d'Itasy promet des rebondissements. Selon les résultats non officiels publiés par le ministère de l'intérieur et de la réforme administrative, le candidat TIM, Rakotoariventiny Charlie, a été accrédité de 34 voix sur les 56, soit 60,71 %, contre 39,29 % pour son adversaire indépendant, Rabemananjara Ramilijaona Albain Délano.




Todiho ny lasa hanatsarana ny ampitso
Tsy hisy aharobaka izay eo am-pelatanako. Teny mamy ao anatin'ny soratra masina io, ary andeha hindramina kely momba ny fiainam-pirenena ankehitriny.
Feno ny fahefana rehetra ahafahana mamita haingana ireo tetikasa kasain'ny fitondrana atao. Mahalala ny mahasoa ny vahoaka aho, ary tsy hijery afa-tsy ny ahasoa azy. Teny mamy tsara tsy ho adino koa izany. Mbola misy teny mamy ihany koa anefa taona maro lasa izay, raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana. Ao anatin'ny enim-bolana dia efa hisy zavatra hiova eto. Ny fiainam-bahoaka io. Nandeha ny andro sy ny volana, saingy mbola mafy angaha ny mamerina ny rava vokatry ny korontana 2002 ka tsy dia nifanome tsiny. Na dia teo aza anefa ireny, dia mbola heno ihany ny hoe efa manomboka miarindoha ny toekarena Malagasy. Niampy ilay feo manga nilaza hoe ny vola misy fa ny fotoana handaniana azy no manahirana.
Vita avokoa ny fifidianana rehetra mandrafitra ny lalàmpanorenana vaovao nasiana fanitsiana. Manjaka ny antokon'ny fitondrana, ary mazava ny tanjona tiany hapetraka, dia ny fandrosoana miainga ifotony. Tokony tsy ho adinoin'izy ireo anefa fa maro no mbola tsy tanteraka tamin'ireo fampanantenana nandritra ny tolona 2002. Todiho ny lasa, hanatsarana ny ampitso, satria tsy natao ho rovitra pataloha lava izao ny vahoaka vao hahazo izay hiriany.
Ny fahaiza-miasa sisa andrasana fa ny seza rehetra efa azo. Mahazo mandry ivohon'ny vato ve izany ny vahoaka ?




Tanora vonona Analamanga
Hijoro ho amin'ny fampandrosoana
Tamin'ny faha 4 aprily 2008 no nankatoavin'ny fanjakana malagasy ny fijoroan'ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga » na ny TVA. Fikambanana tanora tsy mirona amin'ny foto-kevitra politika ny TVA izay tarihan'Atoa Guy Maxime, ben'ny tanànan'Ankaraobato, eny amin'ny distrikan'atsimondrano. Omaly tolakandro no nampahafantarina tamin'ny mpanao gazety ity fahazoan-dàlana ity ka voatsipika fa ny sehatry ny famolavolana tanora ho amin'ny fampandrosoana no tarigetrany. Tsapa mantsy hoy ity filohan'ny TVA ity, fa tsy ampy ny fanabeazana tanora eto amintsika. Efa vonona ny tetik'asa hanatanterahana ny tanjona, ary efa misy koa ny mpiara-miombon'antoka, ankoatry ny herimpon'ny mpikambana tsirairay. Miisa 300 ny mpikambana ao amin'ny TVA. Ireo mpikambana tao amin'ny TVA (Tanora vonona atsimondrano) ireto lasa ara-panjakana ireto. Fanehoan-kevitra ireny hoy ihany ny TVA, ka nanolorana kandida ho an'ny mpanolotsaim-paritra. Ireny ihany koa no manaporofo fa afaka misehatra politika ny tsirairay, saingy tsy amin'ny anaran'ny fikambanana.
Amin'izao voalohany izao dia ireo tanora mpikambana ao aminy no homena fiofanana fahaiza-mitarika sy fahaizana mamorona tetik'asa fampandrosoana. Aorian'izay dia hiparitaka eny anivon'ny fokontany isam-paritra ireo tanora ka hizara ny traikefany sy hampihatra izany amin'ny fiainana andavanandro.




Entana vita gasy
Vidiana lafo ny marika vahiny
Valalan'amboa ka isika tompony indray no tsy tia. Hita taratra io amin'ny fiainan'ny mponina andavan'andro. Toa mahamenatra mihitsy ny mitondra ny zava-bita Malagasy. Maro ny orinasantsika eto an-toerana izay mamokatra entana maro. Ao ny lamba, savony, akanjo fitaovana maro mampiodina fiara. Tsy diso anjara amin'izany ny kolontsaina Malagasy sy ny asa-tànana.
* Marika vahiny
Raha idirana ny eo amin'ny lafiny fitafiana, dia saika mameno faritra maro ny orinasa afaka haba. Pataloha sy ny akanjo ba sy ny maro samy hafa no vokarin'izy ireny. Manenjika aman-jatony isan'andro ny mpiasa iray, nefa aman'aliny ny mpiasa mivelona amin'izany. Raha atao ny kajikajy, dia vola miliara isan'andro no mihodina amin'izy ireny. Tsy amidy eto antoerana anefa ny zava-bita fa alefa any ivelany, mba ho potehana ny marika vahiny, ary avy eo dia averina eto. Amidy amin'ny vidiny lafo io avy eo, satria efa mitondra ilay marika vahiny voalaza etsy aloha. Tsy sahy manao iny ny gasy raha toa ka marika gasy no eo, satria mahamenatra ilay vita gasy e.
* Omena lanja ny hafa
Toy izany ny resaka savony. Manana mpanamboatra goavana malaza eran-tany isika, saingy vao mipoitra ny vitan'ny orinasa madinika kely amin'ireo firenena manodidina antsika, dia iny no hifandrombahana. Ny vidiny anefa tsy dia mifankaiza. Zary toa manome lanja ny hafa isika, ary tsy mahagaga raha mitobaka be ny vita vahiny eny an-tsena raha mitaha amin'ny vita Malagasy. Vokany, miroborobo ny orinasa vahiny, fa ny antsika kosa latsaka ankaterena. Miainga eo ny fandroahana mpiasa, ary dia ireny hiarahana mahita ireny ny fitomboan'ny mpanao asa ratsy eto amintsika, satria ny kibo tsy mba lamosina. Mazana dia miainga any amin'ny mpitondra fanjakana ny fanomezana vahana ny entana vahiny, satria ny akora alaina amin'ny fanodinana entana hafarana avy any ivelany, dia midangana raha mitaha amin'ny fidiran'ny entana vahiny.
* Aro riaka
Efa maro ny fitarainana nataon'ny mpandraharaha Malagasy, saingy mbola tsy voavaha tanteraka aloha hatreto ny olana. Na dia nanangam-peo mafy aza ny GEM sy ireo sendika maro samihafa, dia hita ho miha-rendrika ny mpandraharaha maro. Ny mpanao lamba zara raha mahavita manondrana entana, ary ny « friperie » no zary mitobaka eny an-tsena satria io no mahatafy ny 90% ny malagasy. Aiza ny aro riaka tsy aha-potika ny mpandraharaha eto an-toerana ?
Nahoana ny sinoa no zary mahavita mamatsy ny entana vokariny eran-tany, nefa hambara fa entana mora potika ?
Isika rehetra no mamaly izany, fa na mora potika aza ireny vita vahiny ireny, dia hifandrombahan'ny maro, satria mahamenatra ny vita gasy e.




Faritra Analamanga
Tsy resaka tetezamita intsony
« Asa fa tsy kabary ». Nazava ny fanamarihana nataon'ny loholona Rajemison Rakotomaharo, tamin'ny fanokafana ny fivoriana voalohan'ny Filankeviparitra Analamanga, omaly : « tsy rafitra tetezamita intsony io rafitra io, satria rafitra feno, voafidy araka ny Lalàmpanorenana manan-kery ».
Telo andro no haharetan'ny fihaonana, hifidianana ireo mpikambana efatra (filoha, filoha lefitra ary mpampakateny roa), ny Fitsipika anatiny ary handrafetana ny vaomiera isan-tokony. 14 ireo mpanolotsaim-paritra voafidy ato amin'ny Faritra ka ny roa dia nilatsaka tamin'ny tsy miankina. 19 kosa ny isan'ny solombavambahoaka, mpikambana ho azy ao anatin'ny Filankevitra ary manan-jo hanapa-kevitra. Tsy toy izay kosa ny loholona (iray) izay, na dia mpikambana aza, dia tsy afaka ny hanapa-kevitra. Ny anjara asany eo anivon'ny faritra dia ny fiahiana azy.
« Azon'ny rehetra atrehana ny fivoriana, hoy ny fanamarihan'ny Lehiben'ny Faritra, Rakotomalala Fidy. Indroa isan-taona ny fivoriana ara-potoana ».
Na izany aza anefa, dia mbola miandry ny fepetra avy any amin'ny ministeran'ny Fanapariaham-pahefana vao mety ho fantatra ny tetibolan'ny Faritra.




Mazava ny resaka
Teny gasy ve miverina indroa ? Eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra no tiana ahatongavana eto. Nanome fe-potoana farany indray izany ny FIFA hatramin'ny faran'ny volana izao ahaizan'ny Madagasikara mandinika tamin'ny fanapahan-kevitra noraisiny nandrava ny federasiona Malagasy ny baolina kitra.
Mazava ny resaka nataon'ny ministra tompon'andraikitra fa handamina ny raharaha anatiny isika, ary hametraka ireo delegasiona manokana hitantanana ny raharaha ary hampanao fifidianana vaovao izay handrafitra ny federasiona ity taranja ity. Tsy nisy tsy niaiky ny maro fa latsaka tao anatin'ny kizo ny baolina kitra malagasy, ary mihemotra lava eo amin'ny filaharana maneran-tany. Io no mila hatsaraina, ary nahoana no hitsabahan'ny FIFA ny fandaminana ataontsika raha handamina ny raharaha anatiny isika ? Hevitra maro nifamahofaho teny ambavan'ny maro ny momba io, ary maro no nankasitraka. Nisy ihany koa ireo te-hijery baolina fotsiny izao na dia hita fa ho lavo fakan'ny mpifanandrina isa fotsiny aza isika. Hisy hievitra ve fa hiverina amin'ny heviny ny fanjakana manoloana ny fepetra izay noraisiny ? Ho hita eo, fa raha ny malaza aloha, dia toa ny teny gasy hono tsy miverina indroa.




Tolon'ny mpiasa
Tsy mahita toerana hikabariana
« Tsy kivy fa ny tolona tsy maintsy vita ». Io no nambaran'ny fikambanan'ny mpiasa mivondrona anaty sendika momba ny daty malaza ny voalohan'ny volana mey izao.
Tsy nomena ny mpiasa ny kianja mitafon'i Mahamasina. Ny antony tsy fantatra. Nangataka ny kianja eny Alarobia indray ary mbola tsy nomena io toerana io ihany. Ny tranom-pokonolona Isotry, Malacam Antanimena, ny tetsy amin'ny Esca, dia saika nolavina avokoa.
Nambaran'ingahy Rabemananjara Paul, sekretera jeneraly ao amin'ny Fisemare, fa « aza avela hitroatra ny mpiasa vao ahazo izay ilainy ». « Daty hankalazaina eran-tany io, koa nahoana no sakanana toy izao ny mpiasa ? Inona no hevitry ny mpampiasa manoloana izao, sa efa misy firaisana hevitra amin'ny fanjakana tsy hankalazana izany izy ireo ? » Ny alatsinainy izao dia hambara amin'ny rehetra ny toerana hidinana an-dàlam-be io, ary ny hikabariana avy eo, ary aoka mba hiray hina ny mpiasa Malagasy, mba tsy hanaiky ho tampenam-bava lava izao.
Ny amin'ny orinasa afaka haba kosa, dia hita fa misy ny fandrahonana. Ingahy Rajaonarifanja, tompon'andraikitry ny mpiasa amin'ny orinasa afaka haba eto an-drenivohitra no nilaza io omaly. Mampitandrina ireo toeram-piasana mihevitra ny hangeja ny mpiasa izy ireo amin'io vanin'andro io. Ny orinasa afaka haba no tena ahitana ny fanitsakitsahina ny zon'ny mpiasa, ka rariny raha avela mba hanana ny zony izy ireny. Fanerena ny mpiasa hanenjika isa no voalaza fa tsy maintsy atao, ary izay tsy miasa dia voaroaka avy hatrany.
Mbola tantara mitohy ity tolon'ny mpiasa amin'ny 1 mey ity.




Fivorian'ny mpanohitra
Mizarazara ny hevitra
Omaly dia nahitana fivoriana nataon'ny mpanohitra ny tetsy amin'ny Soimanga Manakambahiny sy teny Ivandry. Tanjona iray no tiana hahatongavana, saingy ny firaisan-tsaina no samy nanana ny azy. Tetsy amin'ny Soimanga Manakambahiny dia hita teny avokoa ireo mpanao politika kalaza eto ary ny teny Ivandry kosa dia ireo mpiara-dia amin'ny Profesora Zafy Albert.
Ny fandraisana fahefana no tanjona, ary mazava ho azy fa nisy ihany koa ireo tatitra tamin'ny dingana nataon'izy ireo izay nanao fitetezam-paritra. Tsy voafaritra mazava kosa hatreto ny mety ho hetsika mafana ho ataon'izy ireo. Mizarazara be ny firaisan-tsaina eo amin'ny samy mpanohitra, ka tsy mahagaga raha maro no nilaza ny handeha irery amin'ny tolona izay ataony.




Antsiranana
Hilahatra ireo ray aman-drenin'ireo zaza naniha
« Fanimbana ny taranakay izao fandefasana azy ireo any an-drenivohitra izao ». Izay feo izay no heno niverimberina tamin'ireo ray aman-dreny manana ny zanaka naniha nalefa aty Antananarivo, ka migadra etsy Antanimora sy eny Anjanamasina.
« Tsy fantatra intsony izay mety hiafaran'ny taranakay, indrindra eo amin'ny fahasalamany sy ny sakafo ho haniny. Nahoana no tsy aty amin'ny faritra nihaviany no hitazomana azy fa any amin'ny tany lavitra anay fianakaviany any ? » Noho ireo dia hidina an-dalam-be anio ireto ray aman-drenin'ny ankizy voasambotra tany Antsiranana ireto izay hitakiana ny hamerenana ireo zaza ireo any amin'ny toerana nihaviany. Miaiky kosa izy ireo fa meloka, saingy aoka mba toerana manakaiky ny fianakaviany no hitazomana azy mba ahafahana manara-maso ny fahasalamany, hoy ihany izy ireo.




Izay mahasoa andramana avokoa
Rehefa tsy vokin'ny vary dia apemba indray no hanina. Toa nahazo sehatra teo anivon'ny fiaraha-monina indray tao ho ao ny filazana fa azo asolo ny vary ny apemba. Ho foton-tsakafo ho antsika Malagasy mihitsy no tanjona amin'izany. Nandritra ny fiotazana ny apemba novolena teny Iavoloha ny alarobia teo no niampitan'ny hafatra tany antsain'ny vahoaka. Be otrikaina, ary mahavelona izy ity, ary afaka hambolena azy io tsara ny faritra maro eto Madagasikara. Telo volana dia efa mioty.
Efa ela no nandrenesana karazan-tsakafo afahana manolo ny vary teto Madagasikara ka isan'io ny mangahazo ny katsaka, ary ny ovy. Ny kibon'andrenivohitra no tsy zatra ireo, fa efa ela anie ny any ambanivolo any no ireo no ataony foton-tsakafo e. Indray mandeha isan-kerinandro raha ahita ny faritra lavitra andriana vao mba mahita vary. Ny tsapa anefa dia matanjaka tsara ireo Malagasy mihinana izany.
Miaka-bidy andro aman'alina ny vidin'ny vary. Karazana aro riaka ataon'ny fanjakana ity fitaomana ny maro mba hamboly Ampemba ity, ka tsy hiantehitra amin'ny vary intsony. Ho zatra izany ve anefa ny vavonintsika ? Izay mahasoa andramana avokoa, saingy ao ny mivadika ampemba fa ny an'ny hafa kosa efa akoho ritra sy hanimpitoloha isan'andro. Manaraka fiainam-bazaha e. Hita taratra io amin'ny fiainan'ny mponina andavanandro.




« Tanora sahy sy vonona »
Mitaky fitsapankevi-bahoaka
Mijoro ankehitriny ny fikambanana « tanora sahy sy vonona » ka hiantsehatra eo amin'ny raharaham-pirenena. « Mety ve ny fitantanan'ny mpitondra firenena ankehitriny ? » Io no fanontaniana angatahan'ity fikambanana ity hanaovana fitsapankevi-bahoaka. Ataovy ny fitsapankevi-bahoaka hoy ny fikambanana mba hirosoana haingana amin'ny fampandrosoana. Fikambanan'ny tanora manana fahavononana, manohana an'i Andry TGV ity « TSV » ity. Atoa Mamonjisoa Isaak no filohany.
Hatramin'izao dia mbola afaka mandray ny tanora mitovy firehan-kevitra aminy ny fikambanana.
Efa manomana ny hetsika hanaovana ny fanentanana rehetra moa ny fikambanana.




Navoakan'ny HCC ny vokatra
Nolavina ny fitorian'ny Tsy miankina
Tsy azo raisina, satria tsy hita fototra. Io no setrin'ny fitoriana nataon'ireo kandida tsy miankina nifanandrina tamin'ny antoko TIM manerana ny faritany.
Ny fitondrana mpifidy vaventy tany amin'ny hotely nampihinanana sakafo, sy notambazana moto, ary vola sy poketra ambehivavy no anton'ny fitoriana. Niseho izany tany Manakara sy ny faritra hafa ary nisy mihitsy ny kandida hafa niantso ny BIANCO, satria endrika kolikoly fividianana ny vaton'ny mpifidy izany.
Tsy niova tamin'ny fanapahan-keviny ny HCC fa dia ireo olona efa lany nandritra ny fotoam-pifidianana ihany no hita voatonona teny Ambohidahy omaly.
Raha iny fifidianana izay ho loholona natao ny 20 Mey lasa teo iny no jerena, dia mahakely finoana izay ho kandida mbola hilatsaka any aoriana any ny toy izao. Mitondra porofo amin'ny karazana teritery atao amin'ny mpifidy izy ireo, saingy toa tsy misy vokany ny ezaka ataony. Raha ny TIM anefa no resy ka mitaraina, dia mazàna miverina ny fifidianana ao amin'ilay toerana. Maro no efa tratran'io, hoy ireo kandida ka manahirana anay tsy miankina ny mbola handray anjara amin'ny fifididianana any aoriana.
Hevitry ny kandida sy ny mpitazana ihany anefa ireny, fa ny masi-mandidy amin'ny fanapahan-kevitra raisiny ny fitsarana. Mandinika sy mamakafaka izy ireo vao mamoaka ny vokatra, fa tsy sanatria hiandany amin'ny antoko na kandida hafa. Ny hevitry ny mpitazana kosa anefa tsy azo sakanana tsy hivoaka. Ny loholona 11 ambiny kosa dia miandry ny fanendren'ny filoham-pirenena izay antenaina tsy ho ela.




Mivadika ambony ambany
Fatra-paka tahaka isika fa tsy mahay manatanteraka. Io no hita raha mikasika ny fiainam-pirenena no jerena. Momba ny fiovan'ny Governemanta sy ireo olom-panjakana napetraka isaky ny faritra izany. Tao anatin'ny fitondrana nentin'ny filoha Ravalomanana izay, dia samy mahatsapa isika rehetra fa toa tsy marim-pototra firy ny toeran'ireny olona napetraka hampandeha ny faritra sy ny andrimpanjakana isan-karazany ireny. Tsaroan'ny rehetra fa nisy ministra iray volana monja tao amin'ny asam-panjakana, dia efa noesorina tamin'ny toerany.
Ny filoha Ravalomanana ihany koa raha nametraka ireo lehiben'ny faritra dia nanambara tamin'izay fa « ho tsapaina ao anatin'ny enim-bolana ianareo, ary rehefa tsy mahomby dia miala avy hatrany ». Nisy ny tsy nahomby, ary tao kosa ireo nahavita angaha, ka mbola tafajanona amin'ny toerana nametrahana azy.
Ny mpikambana ao anaty Governemanta, dia misy olona efa nanomboka tamin'ny 2000 ka hatramin'izao mbola mitazona ny toerana minisitra, na dia nafindra ministera matetika aza. Isan'io ny ministry ny fitantananam-bola Hajaniriana. Inona no antony ? Ny asa vitany angaha, hoy ny mpitazana, no tena mandroso matoa mbola tafajanona ? Ny tena mampalahelo, dia ny fandaniana eo amin'ny volam-panjakana nampiofanana ireny minisitra ireny tany ivelany. Tsaroan'ny rehetra io. Saingy aiza izy ireny ankehitriny ? Maka tahaka ny any ivelany matetika isika araky ny voalaza etsy aloha, misy firenena vahiny manova Governemanta matetika tahaka izao misy eto izao ve ? Rehefa tsy mahomby, hoy ny hafa, dia ovaina, saingy tafita ve ny fitohizan-draharaham-panjakana ho an'izay mandimby toerana ? Mivadika ambony ny raharaha, ka ho gaga ve isika raha miverina lava any afara ny asa nataon'ny teo aloha ? Ho hita eo amin'izao fiovan'ny Governemanta izao na ahomby indray ny mpandimby toerana na tsia.




Voatendry ny loholona 11
Tsy nanary ny namany i Ravalomanana
Voazara ny seza. Nahazo ny anjarany ireo mpiara-mitolona tsy nivadi-pitokisana tamin'i Ravalomanana. Nisokatra tamin'ny hery samy hafa ankoatry ny mpanohitra ny fon'ny filoham-pirenena.
Tsy nahataitra ny rehetra ny nanomezana seza ny filohan'ny TEZA Moxe Ramandimbilahitra, satria efa tsinjon'ny rehetra ny fihetsiny raha niala tsy ho filohan'ny TEZA ny tenany. Tsy hanary azy ny filoha Ravalomanana satria olona nitokisana tao amin'ny mpanolontsaina tao i Moxe. Ny filoham-boninahitry ny Grad Iloafo Tovonanahary Rabetsitonta kosa dia tsy nitsahatra nandany mondro kely nanohana ny fitondrana sy ny TIM ary hita tamin'ny sehatra maro isan-karazany.
Ramatoa Ruffine Tsiranana filohan'ny PSD dia efa endrika iray misokatra amin'ny antoko hafa. Olona tsy dia mba nahitana teny firy teo amin'ny sehatra politika, ka rariny raha nisokatra amin'io antoko io ny fony. Ny ministra Rabotoarison izay lehilahy tsy mba nahitana olana ny fiaraha-miasan'izy sy ny filoha raha vao nandray ny fahefana tamin'ny 2002, ary niala tsy nivadika ho mpanohitra raha noesorina tsy ho ministra. Mila faharetana ny zava-drehetra, ary tsy dia nahagaga raha tsy nisy nahazo sehatra intsony ireo mpiara-dia tamin'i Ravalomanana taona maro lasa izay.
Ny tsapa dia tsy nisy mpandraharaha firy mba notendrena ho amin'io toerana io, satria dia ny mpanao politika no mibahana etsy Anosy. Ny Arema matotra sy ny AMF/3fm dia tsy isan'ny nahazo anjara toerana, na dia nanao izay ho afany tamin'ny fanohanana ity fitondrana ity aza. Mbola maro ny sehatra afahana miasa, fa tsy atao mahakivy ny toy izao.
Ny fomba fiasa sisa andrasana, satria maika ny fampandrosoana, ho an'ireo tsara vitana.




Herizo Razafimahaleo
Hambara malemy ny mpanohitra nefa atahorana
« Fanjakan'olon-tokana no hita eto, ary tsy azo lavina izany. Porofo mitohoka amin'ny rehetra ny faniliana ireo mpiara-miasa amin'ny filoha rehetra izay akaiky azy indrindra. Voatonona tao ny anaran'ingahy Didier Rakotoarisoa, ny mpiambina azy noroahina haingana hiala teto Madagasikara, ny Praiministra lefitra Zazah Ramandimbiarisoa, David Rajaona izay any am-ponja ankehitriny sns.... » Tao amin'ny fahitalavitra TV Plus ny zoma alina teo no nilazan'ingahy Herizo Razafimahaleo izany.
« Hambara ho malemy ny mpanohitra, ary nilaza io ny tompon'andraikitra Amerikana iray eto. Omeo sehatra na dia indray mandeha isam-bolana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana izahay ahitana na malemy araka ny voalaza tokoa na tsia. Tsy mahalala ny tena zava-misy marina ny vahoaka ka izay no ilana ny fanazavana. Isan'io ny fahamarinana sy ny fahamasinana nambara tamin'izany. Ny resaka 3P, izay olon-tokana no manana fahefana feno eto ». Noraisiny ohatra ny vidin'ny solika sy ny vidim-piainana ankehitriny sy tamin'ny vao nandraisan'ny filoha Ravalomanana ny fahefana. 6 taona ato afara monja dia hatraiza ny fidangan'io vidim-piainana io ? Ny tontolon'ny fifidianana, izay hita fa hanjakan'ny hosoka, kanefa hambara fa fifidianana demokratika no eto. Ny vondron'ny SADC izay tsy mahita ny tena fizotry ny fifidianana no ambara fa afa-po ny mpanara-masony nandritra ny latsa-bato natao teto. Nasian'ingahy Herizo Razafimahaleo resaka ny momban'ny fifidianana izay ho loholona farany teo. « Taiza eran-tany no misy mpifidy vaventy teren'ny lehiben'ny faritra sy ny ministra hitondra ny biletany any amin'izy ireo rehefa vita ny latsa-bato ataony ? Nahoana no tsy avela hifanerasera amin'ny kandida hafa ny mpifidy vaventy ? Izany ve no tany mandala demokrasia. Natao ihany no tsy hiteny saingy raha tsy miteny dia toa manaiky izao tsy fahombiazana izao », hoy ity filohan'ny Leader Fanilo ity.
Raha fehezina iny fandaharana tao amin'ny fahitalavitra tsy miankina iray iny, dia miaina ao anatin'ny fahapotehina ny toe-karena Malagasy, ka tsy mahagaga raha maro no mirona amin'ny fitakiana fiovana ho an'ny ity fitondrana ity. Tsy hiditra amin'ny mety ho fisokafana ataon'ny fanjakana ihany koa ny mpanohitra, hoy izy, satria ny namany akaiky aza noroahiny.




Vakinankaratra * Nomination du nouveau Chef de région
Un grand suspense
Après les résultats officieux auprès du CRMV Vakinankaratra, le poulain du TIM Lantoniaina Rabenatoandro a remporté la victoire avec 100 % des voix. Les 92 grands électeurs inscrits ont voté tous pour lui. Jusqu'à la proclamation officielle des résultats Lanto Rabenatoandro porte toujours le titre du Chef de région. Sur ce, des noms circulent dans la région pour le prédécesseur du chef de région actuel : tels Olga Ramalason Vololonirina qui n'est autre que l'épouse de l'actuel Chef de région et magistrat de la ville d'eau, Hery Rafalimanana, l'ex- PDS de la commune Urbaine d'Antananarivo, le PDS sortant du Faritany Rakotomalala François Emile, et le Directeur de l'Administration Général du territoire de la région Vakinankaratra Hervé Philbert Andriamanantsoa. Le suspense reste toujours pour tout un chacun dans la région toute entière, la réponse sera donnée lors de de la nomination du chef de région en conseil des ministres dirigé par le Président de la République.




Very ny kanto Malagasy
Vay ankandrina izy ity ka sady maharary no mahamenatra. Miroborobo fatratra ny hira Malagasy, ary saika feno izao karazana mpanan-kanto tsy fantatra rehetra izao ny haino aman-jery maro samihafa. Gaga ny rehetra fa hay manankarena mpanan-kanto tahaka izao ity nosy ity.
Tsy ela dia efa any ambavan'ny zaza madinika ny hira navoakan'izy ireny, ary na ilay fihetsika mampidera ny afenina rehetra aza, dia efa hain'ny ankizy sahady. Toa manao tomandavana miakatra manao fampisehoana etsy sy eroa, ary dia tomefy olona hatrany. Miditra ny vola hoy ny hafa, ary dia afaka andro vitsy monja dia efa mahavita hira hafa indray. Raha tena hitodiana ny zava-kanto malagasy, dia tsy tafapetraka intsony ny maha-kolontsaina azy.
Raha vao horonan-tsary « clip » tsy mampidera takokenatra, dia toa tsy maha-taitra ny maro intsony. Ny fitombenana ny an'ny sasany no ampinga entina mihetsika, ka zary adino hatreo ny tena fiangaliana ny zava-kanto. Ny fakan-tahaka ny any ivelany tsy tenenina intsony. Raha mahatsapa ny rehetra, dia izay tena miangaly ny mozika Malagasy toa tsy hita firy amin'ny sehatra maro samihafa. Tsy sanatria natao handemena ny sain'ny mpanan-kanto ny tahaka izao, fa mila manova famindra isika raha te-hiditra eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny zava-kanto malagasy. Malaza anio vita ihany fa ny rendrika rahampitso no ratsy. Koa aoka samy hitandrina fa ny rivotra mitsoaka eran-tany efa mafy, ary tsy vitan'ny Clip anjaridaina mampiseho ny tsy tokony haseho izy ity, fa manjary very ny kanto Malagasy, izay mozika tokony hanana ny anjara toerany eo amin'ny sehatra maro samihafa.




Dokotera Manan'Ignace
Hiomana handray fahefana
Tsy ny tsikera lava no afahana mampandroso ny firenena, fa ny fiomanana handray fahefana. Diso ireo mihevitra fa hidina andalam-be ka eny no handraisana ny fitondrana. Niarahantsika nahita ny fahavoazana nihantra tamin'ny firenena raha tsy hiteny afa-tsy ny raharaha 2002. Mbola izany ve no averina eto ? Tsia avy hatrany ny valiny hoy ny dokotera Manan'Ignace tao amin'ny Aceem Radio ny alahady antoandro teo.
Nihaiky izy fa isan'ny nanohana ny fitondrana hiakatra teo amin'ny fitrondrana nandritra ny tolom-bahoaka farany teo ireny, saingy rehefa hita fa tsy mitondra ny tombontsoam-bahoaka marina, dia aleo manova. Nampahatsiaviny ny fivoriana tamin'ny taona 1958 nataon'ny antoko miisa 10 tany Toamasina, izay nilazan'ny rehetra fa mila arodana izay fahavalom-bahoaka. Mila miray hina isika ankehitriny hoy ihany ity dokotera ity, satria efa anatin'ny haizina tanteraka ny firenena. Ny nanaitra ny rehetra, dia fiomanana tahaky ny ahoana no atao ? Iarahana mahalala fa tsy sahy miatrika fifidianana ny mpanohitra, ary tsy mankasitraka ny hetsika andalam-be ihany koa anefa ity filohan'ny fikambanana Manaovasoa ity. Sa miandry tolorana fotsiny tahaka ireo senatera 11 vao nomena ny seza ho etsy Anosy kely ?




Pierre Houlder
Akoho tsy naneno tahaka izay lanin'ny kary
Resaka ka atao, fa ny eo ihany no eo. Fihetsika mitory avy hatrany fa tsy ahavita inona intsony ity fitondrana ity no nataon'ingahy Pierre Houlder manoloanan'ny filazan'ny filoha Ravalomanana, fa vita iny ny fifidianana, ka hanomboka amin'izay ny tena asa.
Ny taona 2002 no efa tokony nahitana asa mivaingana teo amin'ity fitondrana ity. Inona no fahefana tsy teo ampelan-tanany ? Vahoaka iza no tsy nifandrombona taminy momba ny asa izay heverina fa ho atao eto ? Ny Arema maro an'isa tao amin'ny antenimieran-doholona aza tsy sahy nihetsika fa dia nanara-drenirano teny foana, mba ahafahany miasa.
Ny hita anefa toa mihemotra hatrany ny fiainam-pirenena. Miha-mahantra ny vahoaka, ary latsaka any amin'ny laharan'ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara tao anatin'izay enin-taona izay. Akoho tsy naneno tahaka izay lanin'ny kary hoy ity mpitarika ao anatin'ny antoko Arema ity. Fandemena saim-bahoaka sisa no hita, satria fotoana tokony hiotazana vokatra izao, fa tsy vao hamafy indray.




Halatra fiara
Miroborobo ny halatra minibus Mazda
Ny karazana fiara an tsoina hoe minibus indray no tena lasibatr'ireo mpangalatra fiara tato ho ato. Ka ny tena tadiavin'izy fatratra amin'izany dia ny fiara Mazda E 2200. Teny Ambohimanarina ohatra dia nanjavona ho efa 3 volana izao ny minibus iray izay tena vaovao tokoa satria mitondra ny laharana TAL. Hatramin'izao dia mbola eo am-pitadiavana ny marina momba ity halatra ity ny tompon'ny fiara. Etsy andanin'izany, lasan'ny jiolahy tahaka izay ihany koa ny minibus Mazda iray ana-orinasa mitoetra eo amin'ny ivo-toeran'ny Galaxy. Tamin'ny iray volana lasa no nitrangan'ity toe-javatra ity. Marihina fa ny mpamily no nihazona ny lakile sy ny antontan-taratasy mikasika ilay fiara. Ny ampitson'iny dia tsy hita teo amin'ny toerana tokony hisy azy intsony ilay fiara Mazda. Azo antoka araka izany ny mety havoarohirohy an'ilay mpamily.
Nambara teo moa fa ny karazany antsoina hoe Mazda E 2200 no mahasarika ny mpangalatra amin'izao fotoana izao. Ny antony moa dia nohon'ny lafiny ara-teknika. Malaza ho fiara tena mahari-pery ary tsy mba manary an-dàlana ity karazana fiara iray ity. Fantatra mantsy fa izy irery no tsy mba tratry ny sampona ara-mekanika ho an'ireo izay te-hanao halaviran-dàlana tena lavitrezaka. Afaka manaporofo izany ny zava-boalazan'ireo mpandeha vitsivitsy hamonjy an'i Toliary any atsimo, na ireo handeha na avy any Antsiranana sendra anay. Mazava araka izany fa tsy mikely soroka mihitsy ireo mpangalatra fiara amin'ny fomba hahazoana azy. Eo anatrehan'izany dia tokony ho mailo tanteraka manomboka izao izay manana minibus Mazda rehetra fa tsy kely làlana ny ratsy. Manana andraikitra lehibe ihany koa ireo zandary sy polisy amin'ny fitandroana sy fiarovana ny fananan'olona satria ny lafiny fitaterana an-tanety no isan'ny tena iankinan'ny ain'ny toe-karem-pirenena eto amintsika.




Lany andro mifanome tsiny
Mora ny miteny fa ny manatanteraka azy no sarotra. Azo hitarafana ny trangam-piaraha-monina eto amin-tsika io. Toa tsy mahay maka lesona amin'ny zava-nisy teo aloha fa samy mihambo ho mahavita tena eo amin'ny sehatra tandrify azy. Hiroso amin'ny vaingan'asa nifanomezana ao anatin'ny MAP isika. Vonona ny fanjakana, ary manatsikafona ny mpanohitra. Nahilika naka zoron-trano izay tsy mitovy fomba fijery amin'ny mpitondra sao io no sakana amin'ny asa tsy maintsy atao. Nomena toerana ireo mpiara-dia tsy nivadi-belirano. Lasa izao, hoy ny mpitazana, satria feno ny fahefana rehetra.
Ankilany dia toy ny akoho kely latsaka ankady ny mpanohitra. Mian-tsoantso toa tsy misy maheno. Mivoaka ny hevitra amin'ny tokony hifanomezan-tànana haingana mba hiarahana manarina ny tanindrazana. Misy mandre ve izany ? Mipoitra ny fanakianana amin'ny lesoka diavin'ny mpitondra, saingy vitsy no manarina ny fahadisoana vitany. Be ny mihevi-tena ho tompon'ny fahamarinana.
Tsapa hatreto fa maro ny manana finihavana handray andraikitra, saingy ny fijery Politika no tsy iraisana. Lany andro mifanome tsiny isika, ary ny minitra iray dia vidiana lafo. Mbola izay foana ve no hiainana eto ? Isika rehetra no miara-misaina. Penjy R




Tabera Andriamanantsoa
Mora mivadika i Manandafy
« Taona vitsy monja dia manadino i Manandafy. Isan'ny nitaky ny tokony hirosoana amin'ny fampihavanam-pirenena ity mpitarika ny antoko MFM ity, saingy tsy tsaroany intsony ny teniny taona vitsy lasa izay », hoy ingahy Tabera Andriamanantsoa, mpitarika ny federalista. Ny fampihavanam-pirenena izay isan'ny nagatahany ho atao eto, dia laviny indray ankehitriny fa tsy tokony ho atao eto. Làlana iray tsy azo hiodivirana io, satria nisy ady mahatsiravina teto.
Tsy ny raharaha 2002 ihany, fa efa hatrany amin'ny andron'ny mpanjaka. Ireo no tsy maintsy aravona, ary mila io ny vahoaka Malagasy. Ingahy Manandafy aty ambony no tsy mila io, fa ny mpikambana MFM rehetra any amin'ny fototra dia mankasitraka ny fampiavanam-pirenena. Manana porofo amin'io izahay rehefa mandeha mitety faritra. Ny fivadibadihan'ny mpanao politika tahaka izao no mankaleo ny vahoaka. Tontolo iray tsy azo ialàna ny fidirana amin'ny rafitra tetezamita, izay hametraka ny rafitra ifotony, ary efa eo ampandaminana izany ny mpanohitra miaraka amin'ingahy Zafy Albert.
Momba ny filazan'ny filoham-pirenena fa hanomboka amin'izay ny asa dia nanamafy ingahy Tabera fa efa ela no niandrasan'ny vahoaka izany. Enin-taona aty afara ve vao ambara fa tena hanomboka amin'izay ny asa ? Tsy hisy vahoaka hino izany intsony satria efa potika ny farim-piainany.




Harinaivo Rasamoelina
Tsy tafavoakan'ny TIM ny fanarenana
Ny hery rehetra no mitambatra vao tafarina ny firenena. Tsy hanana hery amin'io ny TIM na dia eo ampelantanany avokoa aza ny fahefana rehetra.
Mila mametraka rafitra hiarahan'ny hery rehetra no maika indrindra. Io no vahaolana afahana manarina ny toe-karena, hoy ingahy Harinaivo Rasamoelina. Taona maro izay no nifehezan'ny TIM ny fahefana, aiza ny toerana misy antsika amin'izao ? Miditra amin'ny sehatry ny fanatontoloana isika, ary dia miara-mizaka ny krizy iraisam-pirenena. Ny firenena hafa anefa manana ny làlana afahany mamonjy ny vahoaka ao aminy fa ny eto kosa inona no mitranga ? Fahefana imperialista no misy eto ary aza gaga raha mihitsoka ao anatin'ny haizina ny firenena. Mbola hihevitra ahavita samy irery ny fitantanana ny firenena ve ny TIM ? Hiarahan-tsika mahita ny filazana fa ho tafarina haingana ity firenena ity, hoy ihany ity mpanao politika ity.




Fandrahonana olona ho faty
Ben'ny tanàna iray niakatra fitsarana
Ben'ny tanàna iray ao anatin'ny distrikan'Anjozorobe no notsaraina tetsy Anosy, omaly maraina, noho ny raharaha fandrahonana olona ho faty sy fanaparam-pahefana ary fihetsika mamoafady. Mpampianatra iray ao amin'ny EPP Beronono (Anjozorobe) no nitory ity olom-boafidy ity.
Tamin'ny volana mey 2007 no nitrangan'ny raharaha ary efa niakatra fampanoavana tamin'ny septambra 2007. Araka ny nambaran'ny mpitory dia nanery an-kolaka hiaraka aminy ilay lehilahy ary nony hitany fa nisy olona niaraka taminy dia nanao fandrahonana ho faty tamin'ny alalan'ny taratasy izy ary lasa nisy nanakorontana tao an-tranony.
« Tsy maintsy ho avy izahay fa miomàna. Raha tsy manone vola 5 tapitrisa Ariary dia ho avy izahay hamono anao », izay no vontoatin'ny taratasy, araka ny fanazavan'ny mpitory. Ny alin'ny 31 mey 2007 moa no voalaza fa nisy andian'olona nandondona tao an-tranon'ity mpampianatra vavy ity ka nony tsy namoha trano izy dia nisy nametraka taratasy vao maraina teo an-tokonam-baravarany. Taorian'izay dia namory fokonolona ilay mpampianatra ary narahi-maso akaiky izy rehefa mivoaka ny trano, indrindra rehefa miala ny tanàna misy azy. Teo an-danin'izay anefa dia toa hoe nilaza ampahibemaso ilay lehilahy toriana (lasa ben'ny tanàna amin'izao fotoana izao) fa tsy ilaina ny miambina ilay mpampianatra satria ny omby sy ny kisoa aza manahirana ny manara-maso azy.
Tsy nijanona teo moa ny raharaha fa nitory tany amin'ny zandary ilay mpampianatra. Nangataka raharaham-pihavanana ny an-daniny saingy tsy nety ilay mpitory. Miaramila roa moa no voarohirohy niray tsikombakomba tamin'ilay ben'ny tanàna. Ilay ben'ny tanàna moa teo anoloan'ny fitsarana dia nandà hatramin'ny farany ny fiampangàna azy. Nilaza izy fa tsy izy no nandefa taratasy fandrahonana sy nitaky volabe na nanakorontana ilay mpampianatra tao an-tranony.
Ireo miaramila voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin'ity raharaha ity moa dia tsy nipoitra tao amin'ny fitsarana. Amin'ny 3 jiona ho avy izao no hivoaka ny didim- pitsarana.




Asa mahafaty, fa tsy mahavelona
Vita iny ny voalohan'ny volana Mey. Nanao izay ho afany ny mpiasa nandritra ny filaharana omaly maraina. Niainga tamin'ireny kabary maro nifandimbiasana ireny ny ventsoventsom-po tany anaty tany. Tsy tora-po kosa aloha no ilazana izany fa fijerena ny tena tombontsoa iraisana eo amin'ny samy mpiasa tsy ankanavaka.
Toa mivaona amin'ny tena zava-misy ny hiainan'ny mpiasa Malagasy ankehitriny. Toa asa mahafaty fa tsy mahavelona no eto. Raha ireo fijaliana any amin'ny orinasa afaka haba no jerena dia hita taratra io. Fampiasana ny mpiasa mihoatra ny ora mahazatra, ny vehivavy bevohoka tsy azo ampiasaina raha vao hita fa mitsaika ny zaza ao ankibony. Ny fanolanana atao amin'ny vehivavy, fa raha vao tsy manaiky dia roahina avy hatrany. Hita io amin'ny toeram-piasana maro samy hafa. Mazana ny tovovavy ratsy bika na endrika dia tsy mahazo avara-patana, fa ny tsara endrika sy bikana, na dia heverina ho tsy mahavita ilay asa, no mahazo toerana sy avara-patana amin'ny sehatra maro.
Endrika mbola hisehoan'ny fanandevozana amin'ny sehatra maro ny toy izany. Tsy ho gaga isika raha sarotiny miady mafy ny zo tokony hananan'ny mpiasa ny sendika maro. Tsy natao hitaky fisondrotan-karama ihany ny sendika fa mijery ifotony ny zo maha-olana, ary mitaky ny hampiharana ny lalànan'ny asa. Ho ela velona ny mpiasa malagasy ary samy ahazo ny vokatry ny hatsembohana fa tsy ho sanatria hamelona ny hafa lava izao.




Hai-trano tetsy 67 Ha
Olona roa no namoy ny ainy
Ny alarobia maraina tokony ho tamin'ny 2 maraina no nidedaka ny afo. Tsy tafavoaka ny efitrano nisy azy ireto tovovavy 2 ary namoy ny ainy avy hatrany vokatry ny afo nananika ny efitrano nisy azy. Avotra soa aman-tsara kosa ny iray, na dia nahitana fahamaizana aza.
Io no nitranga tao amin'ny trano fisakafoanana iray etsy amin'ny 67 ha io alarobia maraina io. Vola Ar 200.000 mahery no lasa lavenona niampy ireo fitaovana maro be fampiasa amin'ny trano fisakafoanana sy ny fanaka tao an-trano. Nisy ihany koa ireo poketra maro be izay saika haondrana ny alarobia teo nefa io lasa lavenona io avokoa. Hita ny niavian'ny afo araka ny nambaran'ny mpiasa tao, izay toa nisy ninia nandoro tamin'ny lasantsy. Tsy nisy gaz tao, ary nanambara ireo nahita fa teo an-dalantsara no nanomboka nirehitra, ary nihazo haingana ny efitrano fandriana. Tara ihany ny fahatongavan'ny mpamonjy voina, ka tsy mahagaga raha tsy nisy tafarina ny entana rehetra sy namoizana aina tahaka izao ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana amin'ny fanaovana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ny tena marina momba ity hai-trano mahatsiravina ity.




Fanarenana ny renivohitra
Hadino indray ny faritra iva
Mitohy ny asa atao eto andrenivohitra. Hita taratra io raha mandalo etsy Analakely amin'ny fametaha ireo sakana vy amoron'arabe, sy fanarenana ireo toerana manan-tantara toy ny etsy Ambohijatovo.
Tsara ny fitoizan'ny asa satria izay no fandraisana andraikitra eo amin'ny fifandimbiasam-pahefana. Vita ihany koa ireo fifanarahana amin'ny firenena hafa, ary ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina dia efa nanambara fa hanomboka amin'izay ny tena asa eto andrenivohitra. Velon-taraina sahady anefa ireo mponina eny amin'ny faritra iva, fa toa tsy mba misy resaka ny momba azy ireo. Toa ny hitan'ny maso ihany no hatsaraina hatramin'izao, fa ilay tena olana goavana mianjady aty amin'ny faritra iva toa tsy misy resaka. Isan'ny toerana maro mponina ny faritra iva, ary tsy nisy kandida izay tsy nanome fampanantenana tsara lahatra teny rehefa tonga ny fifidianana isan-karazany. Manao antso avo amin'ny ben'ny tanàna ireto mponina eny amin'ny faritra iva ireto, mba tsy hanao faralahin'asa ny toerana eny amin'ireny faritra iva ireny. Mbola averina amintsika ve fa toerana hiangonan'ny fofona sy ny loto, ary ny fahantrana ny faritra iva eto amintsika ? Enga anie mba tsy ny ho talaky maso ny ahazo ny anjara-tandrifiny, fa ny renivohitra manontolo, satria vahoaka iray isika mianakavy.




Lany andro manova
Isaky izay mahatsiahy dia manova. Io no hita ankehitriny, ary tsy hananan-kavana mihitsy fa izay tsy mitovy fomba fijery amin'ny filoha dia barakay avokoa.
Izay no nampiavaka ity fitondrana ity tamin'ireo mpitondra nifandimby teto. Na vao manomboka mametraka ny fomba fiasana aza ny ministra na lehiben'ny faritra, dia efa ny fanovàna no tonga mialoha. Sahirana ny rehetra, satria toa lany andro manova eto isika, ka ho tratra aoriana ny tena asa mivaingana andrasana amin'ny mpitondra nomena fahefana. Tonga dia vavany hoy ny filoham-pirenena, ary izay rahateo no andrasana fa tsy lany andro miandry baiko avy any ambony. Fahasahiana no tadiavin'ny rehetra, ary ny fidinana ifotony eny anivon'ny vahoaka no ahitana ny atiny maharary, fa tsy sanatria variana any anaty birao. Mazàna anefa rehefa mandray io andraikitra io ny ministra na olom-panjakana maro samihafa, dia voahaisotra amin'ny toerany avy hatrany, satria tsy nisy fiheràna tany ambony. Manova fomba fiasa ny fanjakana, ary andrasana ny vokatra haingana. Ny vahoaka koa etsy ankilany tsy tokony hiandry mahazo fa mandray andraikitra tandrify azy. Mino isika fa tsy hisy hanilihana andraikitra intsony ato ho ato, satria olona heverina fa manana ny fahaiza-manao ireo tafajanona amin'ny toerany, matoa voafidy tao anatin'ny maro.




Raharahan'antoko
Iza no hifehy ny TIM ?
Voazara ny toerana anaty andrim-panjakana, hanomboka ny asa. Hita fa dia tafapetraka amin'ny andrim-panjakana samihafa ireo lohan'ny mpisorona ao anaty TIM. Olona heverina fa afaka hampandroso ny firenena ireo matoa napetraky ny filoha Ravalomanana amin'ireo andraikitra maro samihafa ireo. Olona manana ny fahaiza-manao ihany koa fa tsy sanatria mpanao politika mpitarika olona hidina an-dalambe.
Hifantoka tanteraka any amin'ny raharaham-panjakana ireto olon'ny TIM nahazo toerana ireto, ary eo no hifantohan'ny sain'ny mpanara-baovao momba io antoko io. Iza no hifehy ny TIM ? Ny Praiministra Rabemanajara izay birao politika, dia manana andraikitra lehibe tsy azo hialany, satria ministra misahana ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana izy no mbola Praiministra. Ny filohan'ny TIM Ivan Andriasandratriniony, izay mety ho filohan'ny antenimieran-doholona dia hifantoka tanteraka any amin'io andrim-panjakana io ny asa izay ho sahaniny raha lanin'ny loholona hitantana an' io ny tenany. Ingahy Ivohasina Razafimahefa izay isan'ny olona mahatoky ny filoha, ary manana tanora maro mpanaradiha azy, izy ve afaka hitantanana ity antoko ity ?
Andraikitra tsy azo ialàna anefa ny fitondrana ny antoko, indrindra fa hiatrika ny kongresiny ato ho ato izy ireo. Ny raharaham-panjakana sy ny antoko anefa tsy azo afangaro. Maika ny asa hoy ny filoha Ravalomanana, mbola hanana herijika aty amin'ny antoko ve izy ireo ? Manana tanora vonona hampandeha ny antoko ny TIM ka ho hita eo ny fahavononana sy ny to-teny ao anatin'io antoko izay afaka mametraka rafitra eny anivon'ny fototra. Indrindra fa ny TIM no mitondra ny tany sy ny firenena.




Pierre Tsiranana sy ny Governemanta
Mahay manao sarimihetsika ny fitondrana
Tsy azo hitokisana ho afaka mampandroso haingana ny firenena ity Governemanta vaovao ity. Io indray no fisehoana ivelany nataon'ingahy Pierre Tsiranana. Toa tsy voadinika ifotony ny fanovàna, fa natao hanapotehina olona fotsiny.
Olona manampahaizana toan'i Radavidson Andriamparany ve no esorina amin'ny toerany ? Nahoana raha hita fa tsy nahavita azy hatrizay, raha navela hijanona ho depiote izy. Raha ny olona misolo ny toeran'ity ministra teo aloha ity, dia olona teo ambany fifehezany, saingy hita izany fa io indray no havanana amin'ny sehatry ny fanabeazana, ka dia nahilika ny teo aloha na dia vao enim-bolana monja aza no teo amin'io sehatra io. Mampalahelo ihany koa ny mahita fa nahatona tamin'ny toerany ny ministeran'ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina. Firenena izy eto ambonin'ny tany no hanilika sy hanao ambanin-javatra ireo sehatra roa ireo ? Hita fa manao sarimihetsika ny fitondrana, ary tsy ho azo antoka ny fampandrosoana raha hifamingana lava eto isika mianankavy, hoy ity mpanao politika ity.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay ny namoizana ny reny malalanay :
ny Zoma 02 Mey 2008 rehefa nivahiny 76 taona teto an-tany
Hoy :
Ny zanany :
* RAJOELIARIVONY Andriamaherisoa Jean Robert sy Lilie Fleur sy ny zanaka aman-jafiny
* RAZANABOLOLONA Voahangy Hari-lala
* RANAIVOSON Andriantsalama Hari-Mamy sy Eugénie sy ny zanany
* RAHARISON Tiana sy Nivohanta Felana sy ny zanany
* RAHARISON Tantely
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpitandrina sy ny fiangonana FJKM Ambohimarina Itaosy, Ambatoroaka Finoana, Ambohimamory Orimbato Malala, Tsiafahy Fihavaozana
Ny Fokontany Antohamadinika, Ambohimarina
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Lot III G 20 bis Antohomadinika ny Alahady 04 Mey 2008 amin'ny 1ora sy sasany ary hoentina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambohimarina Itaosy alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohimarina ihany.
« Moa Jesosy va tsy ahy ».
(FFPM 485)




Hipoitra indray ny lamba maloto
Rahampitso no hanomboka ny fivorian'ireo andrim-panjakana eto amintsika. Ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona io. Hifantoka amin'ny fanaovan-dàlana isan-karazany ny fivoriana mandritra ny 60 andro atao eny. Tsy resaka fanaovan-dàlana anefa no tena hifantohan'ny sain'ny maro, fa ny adilahy politika hitranga eny. Raha ny etsy Tsimbazaza, dia hifantohan'ny sain'ny maro manomboka rahampitso ilay resaka mandeha momba ny mety ho fanonganan'ny TIM an'i Sylla amin'ny toerany. Tsy mandeha ho azy ireny resaka ireny fa ao raha. Ny etsy amin'ny antenimieran-doholona, izay hisy ihany koa ny ady seza ho an'ireo maniry ny hitazona ny toeran'ny filoha ao an-dampa. Ingahy Rajemison Rakotomaharo, izay hita fa mbola vonona sy manantena hibata ny amboara fanindroany. Ingahy Noel Rakotondramboa kosa etsy ankilany tsy ho diso anjara ny mety hibata ny safidin'ny maro. Ny filohan'ny TIM Yvan Andriasandratriniony, ve hanaiky lembenana amin'izao ?
Miandry ny rehetra, satria ny antoko matanjaka no hifandramatra, ka ny tsy fahaiza-mandamina kely fotsiny no hiteraka disadisa tsy azo kosehina eo amin'ny tantaram-pirenena. Ny mpitazana dia ahatsapa fa hipoitra indray ny lamba maloto eo anivon'ny TIM, toy ny fahita hatramin'izay. Ny mpitazana dia faly satria miady an-trano ny ngeza, nefa mety ahay hifandamina izy ireo rehefa mipetraka ny tena fitiavan-tanindrazana. Sa ahoana ?




Asa fanaovan-gazety
Tery malalaka
Nankalaza ny andro eran-tany ho amin'ny fahalalahana manao gazety isika teto Madagasikara ny 3 Mey lasa teo. Ny mpanao gazety zokiolona no nikarakara ny hetsika rehetra tetsy amin'ny Cite Ambatonakanga.
Nandritra ny fihaonambe tao no nanehoan'ny rehetra ny endriky ny fahalalahana na teritery misy eto. Malalaka satria saika miroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ary porofon'izany ny fahitana ireo radio sy gazety maro be eto amintsika. Tery ihany anefa, satria misy hatrany ny endrika fampitandremana ireny haino aman-jery ireny eo amin'ny fanehoany hevitra. Sivana ankolaka no niantsoan'ny maro izany. Raha mitaha ny any ivelany anefa ny eto, dia azo tarafina fa afaka mitrandraka vaovao ampilaminana ny eto. Tsy fahita firy toy ny any ivelany ny mpanao gazety gadraina noho ny fanaovany ny asany izany. Ny famonoana mpanao gazety ihany koa dia tsy fahita firy raha mitaha amin'ny firenena any ivelany. Tery malalaka, hoy ny hafa, izy ity ary ny antenaina dia ny hivoahan'ny sata manokana eo amin'izany asa masina izany. Voatsiahy tao ihany koa ny momba fifidianana izay birao vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Inona no antony mbola tsy ahafantarana ny daty marina hanaovana izany ? Miandry aloha hatreto, fa maro tamin'ireo nilaza ny hirotsaka no efa nanadino izany, ary ny tsy vonona teo aloha toa marisika ankehitriny.




Mpanolontsaim-paritra Analamanga
Velona ny ady tombontsoa
Tsy voatazona ny teny nomena. Ny mahasoa aloha vao ny tanindrazana. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin'ny mpanolontsaim-paritra eto Analamanga manoloana ny ady varotra ho an'ny tombontsoan'ireto olom-boafidy ireto.
Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireto mpanolontsaim-paritra ireto ny fandinihana manokana ny tombotsoa tokony ho azon'izy ireo. Isan'io ny tokony hanomezana vola amin'ny trano hipetrahan'izy ireo. Ny fanonerana ny vola lany raha misy marary, ary misy ny mihevitra fa tokony hanana ny kabinetrany izy ireo, izay ny faritra no tokony handoa ny karaman'ireto olona ireto. Tsy nijanona hatreo anefa ny fitakiana fa nitohy hatrany amin'ny fandoavana karama isam-bolana ho azy ireo, ary niafara hatrany amin'ny fitakiana fanomezana fiara 4x4 ho an'ireto mpanolontsaim-paritra ireto.
Tsara ny milaza fa raha ny olom-boafidy eto amin'ny faritra Analamanga, dia misy 14 ny mpanolontsaim-paritra. Depiote 19, ary loholona 4. Ny vola omena azy ireo rehefa mivory eto Analamanga dia 15.000 Ar, ary ny solon-tsakafony dia omena 20.000 Ar isan'andro. Hatreto dia tsy voatazona ilay teny nomena nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny, izay nilazana fa tsy tombontsoa fa fampandrosoana ny faritra sy ny tanindrazana. Ny faritra no miahy ireo voalaza ireo, izay afaka manapakevitra amin'ny ho enti-manana ho an'ireto olom-boafidy ireto. Aharaka ny filan'ny olom-boafidintsika ve ny vola eo ampelan-tànanan'ny faritra ? Hanao ahoana ihany koa ny any amin'ny faritra hafa raha mahita izao fitakiana ataon'ny eto Analamanga izao ?
Tsy ho gaga amin'izao endrim-pitakiana izao ny maro, satria izay anie no mahatonga ny sasany hirotsaka ho fidiana e ! Mazava amin'ny rehetra fa saika avy ao amin'ny antoko TIM avokoa ny mandrafitra ireo voalaza rehetra ireo. Raha ny vaovao fantatra aloha, dia ny depiote sy ny loholona dia tsy nahita teny firy amin'ireo fitakiana voalaza etsy aloha ireo.




Toamasina
Nahazo lapa manara-penitra ny polisy
Trano lehibe iray misy rihana roa ary ahitana efitra miisa 59 no iasan'ny polisim-pirenena any Toamasina amin'izao fotoana izao. Fiaraha-miasan'ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka sy ny Vondrona Eoropeana no nahatontosana izany lapan'ny polisim-pirenena izany, izay nandaniam-bola manodidina ny Ar 600 tapitrisa.
Teo aloha dia tao amin'ny Lapan'ny Tanàna no nisy ny komisarian'ny polisy. Amin'izao fotoana izao dia nifindra ao amin'ny trano vaovao ireo polisy na ny polisy misahana ny fandikan-dalàna ( police judiciaire) na ny polisy siantifika sy ny teknika.
Atao renivohitra ara-toe-karena moa i Toamasina, araka ny fanambarana nataon'ny filoham-pirenena, ka izay no nahatongan'ny tompon'andraiki-panjakana isan-tokony hanao laharam-pahamehana ny filaminam-bahoaka any amin'iny faritra iny. Tsy hisy rahateo ny fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana. Ho an'ny kominina Toamasina-Renivohitra, dia mbola hisy ny fananganana « vigies » sy « postes de police », araka ny nambaran'ny ben'ny tanàna Rakotomanana Gervais.
Ankoatr'izay dia voalaza fa hampitomboana ny isan'ny polisy miasa any an-toerana mba hanamafisana ny fandriampahalemana. Ny kominina moa dia mitaky ny hamerenana amin'ny laoniny ny jiro amin'ny faritra sasany izay simba taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza farany teo. Anisan'ny mampirongatra ny asan'ireo olon-dratsy mantsy ny fahamaizinan'ny tanàna.
Ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka, ny Inspekitera jeneraly Rasolomanana Désiré indray dia nanamafy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny vondrona eoropeana sy ny polisim-pirenena. Efa nanome fiara miisa 22 sy 4x4 miisa enina ary bisikileta ho an'ny polisy moa ny Vondrona Eoropeana.




Sorona ny Renivohitra
Raikitra ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny sefom-pokontany sy ny ben'ny tanàna eto an-dRenivohitra. Mikorontana ny sain'ny mpanara-baovao manoloana izany, satria toa tsy misy intsony ny marimaritra iraisana eo amin'ny roa tonta.
Efa-bolana izao no voalaza fa tsy nandray tambin-karama intsony ireto sefom-pokontany ireto, ary nangataka fihaonana tamin'ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina ry zareo. Tsy mbola nisy ny fihaonan'ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpamendrofendro dia manambara fa ny « Préfet de Police » no tokony handoa ny karaman'ireto farany ireto, satria izy no mampiasa azy. Ny ben'ny tanàna ihany koa dia nitondra ny fanazavany tamin'ny mpanao gazety omaly hariva momba ny endrika hambara ho fanasoketana azy. Ny asam-pokonolona ankilany tsy maintsy mandeha, satria tsy ny resaka vola tsy voarain'ny sefom-pokontany no atao sakana tsy hampandeha ny asa eny anivon'ny fokontany 192 eto an-drenivohitra.
Raha atao indray mijery ireo rehetra ireo, dia mbola taratry ny fanendrena ny sefom-pokontany hatramin'izay. Samy mihevitra ho tompon'ny marina momba izany ny ben'ny tanàna sy ny « Préfet de Police ». Vokany, lasa sorona ny Renivohitra. Renivohitra izay heverina fa ho fitaratry Madagasikara, ary handrandrain'ny vahoaka maro hisy fandrosoana, fa tsy sanatria fihemorana. Dia ho hita eo izay ahay handefitra amin'ny heviny, fa ny fanamby tokony hipetraka, dia ny ahavitana asa mihoatry ny teo aloha ao anatin'ny valo volana. Vitan'ny teo aloha ve tsy ho vitan'ny ankehitriny ?




Andriambilany
Bebe Razanatompo, 118 taona
Nifanantitra amin-janaka aman-jafy araka ny fiteny tokoa Ramatoabe Razanatompo tany amin'ny fokontany Ambahondrano, kaominina Andriambilany, any amin'ny distrikan'Ambatolampy satria nahatratra 118 taona !
Niaina toy ny olon-tsotra rehetra niray tanàna taminy tany ambanivohitra izy, araky ny fitantaran'ny mpiray monina : niasa tany, niady tamin'ny fiainana, nianjadiam-pahoriana ihany koa...
Tsy voahazavan'ny fianakaviany mihitsy ny antony nampiavaka azy ka nahatonga an-dramatoabe ho nanana tombon'andro lava manokana toy io. Kely nanambady Razanatompo, araky ny fahatsiarovan'ny taranany ny tantarany satria vao 13 taona izy no nampakarin'ny vadiny tamin'izany fotoana izany. Tsy dia fantatra mazava kosa na tena nisy fitiavana toy ny an'ny tanora amin'izao fotoana izao ny azy roa tamin'izany na ahoana satria vady namboarina araky ny fomban'ny ntaolo no niorenan'ny tokantranony nefa naharitra tokoa hatramin'ny farany.
Tsy dia nivaky loha firy tamin'ny fitiavana angamba ramatoabe, hoy ny tao an-tanàna ! Tsy nasiany olana tamin'ny tokantranony ny fitiavana fa rehefa io no tsy maintsy vadiana dia niaretany ary angamba tsy nampiferon'aina azy izany.
Niasa mafy izy mivady namelomany ny zanany 3 mianadahy. Na izany aza, tsy dia rera-batana tamin'ny fiterahan-dava loatra koa izy ary tsy valaky ny fitaizana.
Sakafo tsotsotra toy ny an'ny tambanivohitra rehetra no tena tiany, araky ny fitantaran'ny zanany vavy izay mpifanerasera tsy tapaka taminy na dia efa an-tokantrano ihany koa aza...
Ny sasany tamin'ireo havany tany Ambahondrano kosa, nanamarika fa ny naha-kambana azy no naha-ela velona an'ity vaviantitra ity. Efa ho 10 taona lasa izao no nahalasanan'ny anadahiny kambana taminy ka lasan'iny ny fahafatesana, hoy ny finoan'ny olon-tsotra eny ambanivohitra. Tsy dia mbola nanana olana ara-pandrenesana firy Razanatompo na teo aza io taonany io ary tsy nampiasa solomaso mihitsy raha nanjaitra. Mbola mahavita dia an-tongotra sy maka kitay manodidina ny tanàna izy satria nipetra-drery nandritry ny 17 taona nahafaty ny vadiny.
Maty tao Ambahondrano tanindrazany tamin'ny 01 mey teo i Razanatompo. Nahagaga ny fianakaviana anefa fa efa niala aina ary maty izy herinandro mialoha an'io. Tafarina indray anefa izy rehefa hofonosina ary naharesaka tsara sady tafatsangana na dia avy narary am-pandriana nandritry ny tapa-bolana aza. Salama no niheveran'ny zanany azy ka tampoka ihany io tena nindaosan'ny fahafatesana azy io !
187 ny taranaka navelan'Itompokovavy ka mihoatry ny 75 taona ny zanany farany. Nohamafisin'ny taranany fa taona marina ara-panjakana ny an'i Bebe Razanatompo ary ananany karapanondrom-pirenena.




Ankazomanga
Niakatra polisy ny mpivavaka !
Nisokatra tamin'ny alakamisy nankalazana ny andro niakarana teo ny trano fiangonana nifandroritan'ny mpino protestanta tao Ankazomanga-Atsimo ao amin'ny boriborintany faha-6 Antananarivo-Renivohitra araky ny fandaminana vonjimaika avy any amin'ny « préfecture de police. « Ifandimbiasana ny fampiasana ny trano satria nivaky roa ny mpiangona ka ireo nankato ny hifindra ho eo ambany fitantanan'ny Fjkm no miditra mialoha vao afaka manatanteraka fotoam-pivavahana ny mpankasitraka ny Fkpma, Fiangonana Kristiana Protestanta Malagasy Ankazomanga-Miray.
Tsy mbola nampilamina ny adin'ny mpirahalahy anefa izay fandrindrana izay na efa samy afaka nampiasa ny trano fiangonana arak'izay itiavany azy aza ny roa tonta.
Voantso teny amin'ny kaomisarian'ny polisy Ambohimanarina ny lohandohany tamin'ny mpomba ny Fjkm omaly nohon'ny fitorian'ny komity mpitantana sy ny mpitandrina avy ao amin'ny Fkpma. Fibahanam-baravarana tsy hahafahan'ny mpiangona niditra tao am-piangonana nandritry ny fetin'ny Paska teo, fisakanana ny vadintany hanao ny asany tao am-piangonana, fanapahana ny jiro sy fanimbana ny fanalahidim-piangonana ary fanakorontanana fotoam-pivavahana no fototry ny fitoriana araky ny vaovao voaray teto amin'ny gazety.
Efa nitory ny mpitandrina Fkpma ho nanodinkodim-bola ihany koa anefa by mpankasitraka ny fitantanana Fjkm talohan'izao ary mbola tsy fantatra izay hiafaran'ny raharaha.
Tsiahivina fa fangatahana hiala amin'ny fitantanan'ny Fkpma niandohan'ny fiangonana protestanta tao Ankazomanga, hifindra ho any amin'ny Fjkm no fototr'izao korontana izao.




Filohan'ny Sénat vaovao
Tsy hitondra fahagagana
Anio no fantatra izay ho filohan'ny Antenimieran-doholona vaovao. Samy manana ny tombany izay mety ahazo ny toeram-boninahitra iray io ny rehetra. Anarana telo no mandeha, izay samy olona akaiky ny filohan'ny Repoblika avokoa, ka ho sarotra amin'ny loholona mpifidy ny tena hametraka ny safidiny malalaka.
Ny tsara ho fantatry ny maro, dia tsy hitondra fahagagana eo amin'ny fiainam-bahoaka andavan'andro izay lany eo. Maro ny lalàna tsy maintsy ho dinihina, fa ireo hevi-baventy mahakasika ny lafim-piaraha-monina maro ve azo antoka ny ahalany azy ao amin'io lapa io ? Tsara ny milaza fa saika ny TIM no mandravaka ny seza ao, ary izay heverina fa mifanandrify amin'ny fomba fijerin'izy ireo no tsy maintsy hivoaka ao. Matoa mijoro ny andrim-panjakana dia misy vokatra tsara sy haingana miantraika eny anivon'ny faritra sy ny kaominina andrasana ao. Ny fomba fiasan'izay birao vaovao hijoro eo no andrasan'ny maro, satria maika ny fampandrosoana araky ny heno etsy sy eroa.




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny malalanay rehefa nahazo ny sakramenta fanomen'ny Eglizy ny zanany
Teo amin'ny faha-24 taonany ny Alahady 4 may 2008
Hoy :
Ny ray aman-dreniny :
Dr RAMBOLAMANANA Edmond Elie sy Naly
Ny Iray tampo aminy :
RAMBOLAMANANA Nalisoa Nathalie sy ALAIN FRANK namany
Ny Renibeny :
RAZAFINDRATOMPO Elisabeth
Ny namany :
RAVELOARISON Vololomboahangy Jacky Stella
Ny Iray tampo amin'ny rainy :
RAKOTONIRINA JEAN mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny iray tampo amin'ny reniny :
Terak'Itompokolahy Razanajatovo Rakotonirina Edouard
RAZAFIMANANTSOA Than sy Charline ary ny zanaka aman-jafiny
Dr RAMAROSON Marius sy Niriana ary ny zanaka aman-jafiny
RANDRIAMBELO Alfred sy Dany ary ny zanany
RANDRIANASOLO Philibert sy Miarana ary ny zanany
Dr RAKOTONIRINA Raymond (Bordeaux)
Ny iray tampo amin'ny raibeny
Ny iray tampo amin'ny renibeny
Ny fianakaviana manontolo
Ny fiangonana Ekar Manjakaray
Ny Fiangonana Eglizy Katolika Anjomakely
Ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy
Ny Fonkontany Anjomakely
Ny nofony dia hiala ao amin'ny trano fonenany Lot II E 34 RAH AMBOHIDAHY ANKADINDRAMAMY ny ALAROBIA 07 May amin'ny 12 ora sy 30 mn ary ho entina ao amin'ny fiangonana EKAR Manjakaray ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra mialoha ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Anjomakely (Atsimondrano PK 17, RN7).
« Misaora an'i JEHOVAH ry fanahiko »




Vive la République
Razafiarison René, doyen des sénateurs en clôturant son discours d'ouverture de la session parlementaire, doit être félicité. En six ans, il sera le premier responsable de ce pays à crier du haut d'une tribune officielle : « Vive la République ». Et oui, en six ans, nul n'a entendu ni le chef de l'Etat, ni le Premier ministre, ni les présidents du Sénat et de l'Assemblée nationale, ni les ministres, ni les députés, ni les sénateurs, ni rien, ni personne souhaiter « longue vie à la République de Madagascar ». Faisant ainsi croire que la « chose publique » était le dernier de leur souci. La République fête cette année ses 50 ans. Née le 13 octobre 1958, ce fut sous la Première République qu'elle a été surtout célébrée. Sous la Deuxième République, ils ont plutôt troqué la République contre la Révolution. Depuis, personne ne crie plus « Vive la République ». A la place, les Révolutionnaires s'égosillent avec les « Vive le président respecté D.R. ». Sous la Troisième République, rien. Absolument rien. Sauf actuellement où ils ont inventé le « Homba antsika Andriamanitra ». Un grand bond vertical, sans catapulte, qui va de la terre au ciel : de la République dans laquelle les hommes se prennent en charge au Paradis où « Dieu » doit rester le seul maître à bord. Mais quel Dieu ?
Tout devient possible
Pourtant, sans la République, aucun dirigeant du pays, depuis la fin de la monarchie en 1896 jusqu'à aujourd'hui, n'aurait aucune chance d'accéder aux responsabilités. La République est ce système politique dans lequel même le plus humble des citoyens peut, normalement, faire valoir ses droits les plus élémentaires que sont l'Egalité et la Liberté. Prenons l'exemple de Philibert Tsiranana, le plus emblématique de tous les présidents malgaches. D'origine modeste, il est devenu instituteur, puis parlementaire avant d'accéder aux commandes de l'Etat républicain qu'est la République malgache. Dans un autre système politique, c'aurait été tout simplement du domaine de l'impossible. Mais avec la République, tout devient possible. Ceci dit, on ne saurait non plus imaginer la République sans la Démocratie. La vraie. Malheureusement aujourd'hui, la République et la Démocratie sont malades de ses républicains et de ses démocrates. Dès lors, il est plus que temps de (re)clamer avec le sénateur Razafiarison René : « Vive la République ! »




1er tour de 100%
Izay aroso dia lany. Miainga any amin'ny fifidianana manatona ny vahoaka, mipaka hatrany amin'ny mpifidy vaventy, ary mifarana ao an-dapa, dia lany 100% avokoa izay aroson'ny TIM. Mahay mazia ve izy ireo hoy ny mpitazana, sa ny foto-kevitra arosony no tena mambabo ny fon'ny maro ka tsy misy mitsipaka na dia iray aza ?
Tsy mbola fahita eran-tany izany hifidy loholona anaty andrim-panjakana izany, dia vokatra 100% no hita. Tsy misy mpifaninana ihany koa ny kandida nifanehatra tamin'ingahy Ivan Andriasandratriniony fa dia nanara-drenirano avokoa ny iray trano. Asa na noho ny tahotry ny ho voahilika anaty fitondrana na ahoana fa dia io aloha no hita eto amintsika. Tsy azo adika ho tena demokratika anefa ny toa izao ho an'ny mpitazana. Voahilika tamin'ny seza nitoerany izany aloha ingahy Rajemison Rakotomaharo, na dia mbola naniry ny hitoetra teo ihany aza ny tenany. Toerana hifandimbiasana io ka tsy hifanomezan-tsiny, fa ny azo lazaina dia vitsy sisa ireo tena mitana toerana lehibe anaty andrim-panjakana sy ireo nametraka ny filoha Ravalomanana tamin'ny toerany.
Tafapetraka ny andrim-panjakana rehetra, ary 1er tour de 100%. Antenaina ho toy izany koa ny asa takian'ny vahoaka amin'ireto mpitondra antsika be herim-po ireto. Sa ny asa vita mety tsy hitovy amin'ny fifidianana ?




Raharaha Mahandry
Afaka madiodio ireo polisy voarohirohy
Manoloana ny raharaha fisamborana ireo jiolahy tarihan'i Mahandry dia polisy maromaro no voatonotonona ho mpiray tsikombakomba amin'ity jiolahy ity, ka mahatonga azy ireo ho tafaporitsaka isaky ny mifanehatra amin'ny polisy. Nisy hatrany ny fotoana voalaza fa nifanandrinan'ny polisy tamin'i Mahandry sy ny tariny ary izay fiporitsahana izay hatrany no zava-misy. Nanao fanadihadiana anatiny ny polisim-pirenena ka tamin'ny fifanandrinan'ny jiolahy sy ny polisy tetsy Ankerana, herinandro maromaro lasa izay, dia nisy polisy 5 lahy nalaina am-bavany. Tonga hatreny amin'ny fitsarana ny raharaha ka namoahan'ny fitsarana didy omaly. Afaka madiodio izy 5 lahy, taorian'ny nihainoan'ny mpitsara azy ireo.
Nampiasa saina ny maro ihany tokoa ny fandrenesana ny fahasahian'ity jiolahy ity manao fanafihana. Efa fantatra eran-tany fa jiolahy raindahiny i Mahandry sy ny tariny ka mahagaga raha mbola sahy hiseho andro ihany izy. Voalaza koa mantsy fa maratra ny lehilahy ka sarotra aminy ny hanao fanafihana amin'ny andro antoandro eto an-drenivohitra.




Indraim-bava
Hangina aho hoy i Zakahely : Hivory no hiakarako eto Tsimbazaza. Midika izany fa misy feon'ny vahoaka tiany ho entiko momba ny asa tokony hatao any Fenoarivo Atsinanana. Raha misy fisamborana ahy inona no azoko atao, satria kely sy bitika aho. Hangina aho fa tsy haneho hevitra politika intsony hoy ihany ingahy Zakahely.
Fanohizan'asa no atao hoy kosa ny depiote Donat Andriamahefamparany : Raha nanambara ny filoham-pirenena fa izao vao tena hanomboka ny asa eto amin'ny firenena, dia mety ho marina izany hoy ity depiote ity, satria izao vao tafapetraka avokoa ny rafitra rehetra, saingy fanohizana asa ihany rehefa tena jerena ny fandehany. Ny antony dia nisy ny asa nataonay fony izahay tao anaty Governemanta, ary izay ilay fanohizana eo amin'ny asam-panjakana.
Tsy nanaratsy ireo loholona vao notendrena aho hoy i Pierre Raharijaona : Anjaran'ny filoham-pirenena ny manendry izay olona tiany ho loholona fa tsy anjarako. Tsy namoaka vava nanaratsy azy ireo aho no dikan'izany. Ny MAP dia mitovy amin'ny asa heverin'ny Arema matotra ho atao, izay vonona hatrany izahay hanohana io tetikasa io, ary mbola hifanome tanana amin'ny filoha Ravalomanana.
Nangonin'i Naivo Kely




Amin'ny alahelo lehibe no hampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nodimandry androany Alatsinainy faha 05 Mey 2008
Hoy,
Ny Zanany :
RAMAROKOTO Andrianjafy sy Pauline (France)
RAMPARANY Antoine sy Suzy
Ny Zafikeliny :
RAMAROKOTO Rija sy Mirana (France)
RAMAROKOTO Fanjanirina (France)
RAMAROKOTO Landy sy Anne Cécile (France)
MARCHAND Alexis sy Harinivo (France)
RAMPARANY Dimby
Ny Zafiafiny :
MARCHAND Rindra
Ny Iray tampo aminy :
Ny Terak'Itompokolahy RABEDAORO
Ny havany
Ny Fiangonana Vavolombelon'i Jehovah Mahamasina
Ny Fokontany Ambohidahy
Ny Fokontany sy Fiangonana Amboangivy
Ny Fokontany sy Fiangonana Ambohitritakady
Ny nofony dia hiala ao Alarobia Amboniloha Cité des T.P, Ex - DRO, N&#176; 03 ny zoma 09 Mey 2008 amin'ny 9 ora maraina ary hanaovana lahateny fandevenana ao amin'ny Fiangonana vavolombelon'i Jehovah Andavamamba alohan'ny handevenana azy ao amin'ny fasandrazany eny Ambohitritakady/Amboangivy, lalana Imeritsiatosika.
« Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary tombony ho ahy ny fahafatesana ».
(Fil. 1. 21)




Omena fitaovana ny olom-boafidy
Hirosoana amin'ny asa dia tsy atao ambanin-javatra ny fitaovana ho entin'ny loholona miasa. Isan'ny nambaran'ny filohan'ity andrim-panjakana ity io raha vao nandray ny toerany izy ny talata teo. Tsapany fa tsy hisy asa ho vanona raha toa ka tsy misy ny ampinga ampiasaina amin'izany.
Tsinjo avy hatrany io fa fiara 4x4 sy ny solika mandeha aminy. Eo ihany koa mazava ho azy ny karama sy ny tambiny, ary tsy ho latsa-danja amin'izany ny trano honenana sy ny vola ho azo raha marary. Tsy misy maharatsy izany, hoy ny mpitazana, satria fomba ahoana tokoa no ahafahana miasa raha toa ka tsy omena ny fahafaha-manao rehetra ireny olom-panjakana isan-karazany ireny.
Fa mba ahoana kosa ny madinika ? Teny fandre etsy sy eroa ny hoe mila miasa sy mamokatra isika. Ny mpiasam-panjakana terena hamita ny asany, ary misy mihitsy ny ora napetraka mba ahafahany mahavita ireny asa nankinina aminy ireny. Ny tambiny tsy misy fa ny karama isam-bolana no anjarany. Ny vahoaka isan'isany mba ahoana ? Tsy misy fitaovana entina mamokatra fa ny kely ananana aza lasan'ny dahalo. Miezaka ihany anefa ny maro hamita ny tandrify azy, ary dia ireny no mamatsy ara-tsakafo ny maro, raha tsy hiteny afa-tsy ny tantsaha isika. Midika io fa afaka miasa ny rehetra rehefa eo aminao ny finiavana, fa tsy sanatria tambazana fitaovana goavana, izay miteraka fandaniana eo amin'ny kitampom-bolam-panjakana lava izao fa hiasa. Sa izay no maha olom-boafidy azy ireo. Aoka kosa isika tsy ho ory hava-manana e ?




Antananarivo-Renivohitra
Naato ny fanalàna diky
« Tao anatin'ny andro vitsivitsy izao, tsy afaka nanala maloto na diky intsony ny sampan-draharaha miandraikitra izany eto anivon'ny Kaominin'Antananarivo Renivohitra. Naato vonjimaika aloha io asa io ». Fanambarana nataon'i Liva Ramavozatovo, talen'ny Fotodrafitrasa eto Antananarivo izany ho valin'ny fanontaniana napetraka taminy. Nisy antony mazava nahatonga ny fivondronana ity fanapahan-kevitra ity. « Iray ihany ny fiarakodia eo ampelatanan'ny Kaominina voatokana hanao io asa io. Io fiarakodia anefa, efa ho andro vitsivitsy izay, misy fahasimbany ka tsy afaka miasa ». Vokatr'izany, tsy misy manala ny diky any amin'ireo trano fivoahana amin'ny tranom-panjakana, toy ny sekoly, ny biraom-panjakana isan-karazany. Any amin'ireo sampan-draharaha miankina amin'ny Fanjakana ireo manko no voalaza fa tena iasan'ny sampan-draharaha mpanala diky eo anivon'ny Kaominina.
Tsy mbola misy ny vahaolana matotra iatrehana ny olana. Araka ny nambaran'i Liva Ramavozatovo, tsy afaka miditra amin'ny fanofàna fiara ny Kaominina noho ireo trosa be efa mitambesatra aminy. Voatery tsy maintsy miandry ny fotoana ahavitan'ny fiara. « Heverina fa ao anatin'ny tapabolana raha ela indrindra dia hiverina amin'ny laoniny ny asa rehetra », hoy izy manohy ny fanazavana.
Mandrampahatongan'izay fotoana izay, tsy maintsy miaritra ny fofona maimbo sy ny rivotra maloto ny mpiasa miasa eo anivon'ny sampandraharaham-panjakana ahitana efitrano fivoahana efa madiva ho feno. Ho an'ny olon-tsotra kosa, afaka tsy miandry ny Kaominina izy ireo.
Misy orinasa roa tsy miankina amin'ny Fanjakana misahana io asa io. Azon'ireo olon-tsotra atao tsara ny manatona azy ireny sy mifampiraharaha aminy. Mazava ho azy, misy ny vola aloa. Tokony hapetraka laharam-pahamehana eo anivon'ny Kaominina ny fahazoana fiara fanampiny.
« Eo amin'ny lafiny ara-bola hatrany no olana », hoy ny fanazavan'ny tale teknika.




Faritra Atsinanana
Tsy hisy antontan-taratasy tsy voatsara intsony
40%-n'ny dosie sisa amin'ny volana aogositra ! « Tratra ny tanjona » hoy ny vaovao voaray. Noho ny fiaraha-miasa matotra miaraka amin'ny minisiteran'ny Fitsarana, dia ezaka maro no vita ary mbola hotohizana.
Ao Vatomandry, ny 39 % n'ny dosie no miakatra fitsarana amin'ity herinandro ity. Ao Ambatondrazaka, 895 ny antontan-taratasy tsy voakasika. Amin'izao fotoana izao, vita fitsarana ny 66 % ary ny 158 miandry ny fotoana hanaovana ny fitsarana sisa. Toy izany koa ny ao Maroantsetra, antontan-taratasy 263 no « voatahiry » tao amin'ny Fitsarana, ny 80 % no nandalo ny toerana, 17 % miandry ny fandalovana ny « barre » ary ny 8 % miandry ny fivoahan'ny didim-pitsarana sisa. Ary ny ao Moramanga kosa, ny 12 %n'ny antontan-taratasy no miandry fitsarana sisa, ny 48 % miandry ny didy hivoaka, raha toa ka nisy dosie 978 no nipetraka tao fotsiny.
Ho an'ny Toamasina I manokana, vita ny fitsarana ireo 79%-n'ny antontan-taratsy natory tamin'ny 953 teo am-pelantanana. Miandry fitsarana ny 18 % ary miandry ny fivoahan'ny didy kosa ny sisa. Izany hoe efa voadinika avokoa ireo fitarainana voaray sy ny raharaha mbola niandry hatramin'izay. Ny ankamaroan'ny raharaha tatoato dia nanodidina ny raharaha amn'ny lalam-pirenena faharoa iny, ny ao Ambatovy sy ny raharaha Colas. Ankoatra izay, tsy latsaky ny 20 ny raharaha solika tonga ao amin'y biraon'ny Fitsarana.
Marihana fa 2 000 ny fitarainana voaray, ary 104 ny antontaratsy feno fa tsy voadinika.




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
dia nodimandry ny Talata 06 May 2008 teo amin'ny faha-51 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAZAFINDRAKOTO Vololonihanitra
Ny zanany :
RABARY Stephane sy Bodo
RABARINIRINA Hery Andry sy Lalaina
RABARINIRINA Herivola sy Anja
RABARINIRINA Fanomezantsoa Daniel
ANDRIANIAINA Henika
ANDRIANIAINA Neila
ANDRIANIAINA Ziana
RABARIVELO Herimanitra Mirah
Ny zafiny :
Tsilavina ; Perline ; Andoniaina ; Stephania
Ny rafozany :
RAZANAKOLONTSOA Madeleine
Ny Iray tampo aminy :
Mme Veuve RAVOAJA Sidonie sy ny zanaka aman-jafiny
Mme RASOARIMANANA Marie Thérèse sy ny zanany
Docteur ANDRIAMBOAVONJY Léon Basile mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Docteur ANDRIAMBOAVONJY Adrien mivady sy ny zanany
ANDRIAMBOLOLONA Eric mivady sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANTSITOHAINA Hérvé mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAZAFINJAKA mivady sy ny zanany
ANDRIANTIANA mivady sy ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambodifahitra Maritiora.
Ny Fokontany Beravina Itaosy.
Ny Fokontany Ambodifahitra.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony ao Ambodifahitra ny Zoma 09 Mey 2008 amin'ny 02 ora sy sasany , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana FJKM Ambodifahitra Maritiora alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambodifahitra ihany.
« Eny, na dia mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa ianao no amiko »
(Sal.23:4a)




Mivadika taranja
Tsy misy mangirana ka dia mivadika taranja ny maro. Sehatry ny baolina kitra io. Tsy sahy manao lalao ara-pirahalahiana amintsika intsony ireo firenena maro manodidina antsika, satria matahotra ny ho sazian'ny FIFA ihany koa ry zareo.
Ireo mpilalao eto an-toerana dia manomboka malaina amin'ny fanazaran-tena ataony, ka lasa miova any amin'ny sehatra hafa izy ireo. Maro ny fanatanjahantena azo atao, ka izahay ve ho lany zara ato amin'ny baolina kitra, hoy ny sasany. Hatreto dia miandry ny tohin'ny raharaha tamin'iny fandravana ny federasiona iny ny rehetra, sao mba misy famindram-po avy any amin'ny FIFA. Ny ministera mpiahy dia io iarahana mahita io fa nahaton'ny fanjakana, ka tsy mbola fantatra ny mety handray indray ny fahefana ao. Lasa sorona tsy fidiny ny fanatanjahan-tena rehetra, ary tafiditra ao anatin'io ny kolontsaina sy ny fialam-boly. Nahoana raha mipetraka amin'ny fanjakana toy izao ny tahotra ny FIFA raha tsy noraisina ireny fanampahan-kevitra nandravàna ny federasiona ireny ? Azo antoka fa tsy ho fanapahan-kevitry ny minisitra samy irery ireny, fa nisy ny mpanome baiko hafa. Sa diso izany ? Ho azo antoka ve ny mety ahitan'ny baolina kitra mangirana atsy ho atsy, satria ny handaminana anatiny io taranja iray io no nandravàna ny federasiona, nefa rava hatramin'ny ministera ity ? Ny baolina boribory ka ho hita eo ny fivadiny.




Fanomezana herinaratra
Tsy tratran'ny JIRAMA ny tanjona
Tanjona ao anatin'ny MAP ny fanomezana herinaratra ny tontolo Ambanivohitra. Ezaka izay nampetraky ny fanjakana ny hanaparitahana io herinaratra io manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Mandeha ila ny asa raha mbola ny haizina no manjaka.
Ambanivohitra ny mety ahazoan'izy ireo herinaratra hanazava ny faritra misy azy. Lafo ny fampidirana jiro amin'ny toerana ivelan'Antananarivo renivohitra, ary hita fa tsy maharaka ny filan'ny mpanjifa ny JIRAMA. Ny fokontany eto andrenivohitra aza dia maro no tsy ahitana herinaratra, ka zary miaina ao anatin'ny haizina ny rehetra.
Vokany dia manjaka tanteraka ny asan-jiolahy, ary tsy ho gaga isika raha maheno saika isan'andro vaky fa nisy fanafihana nataon'ireny olon-dratsy ireny manerana ny fokontany maro eto andrenivohitra sy ny manodidina. Ny tompon'andraikitry ny kaomnina dia efa nanambara fa maro ny takamoa nalefa eny anivon'ny JIRAMA mba apetraka amin'ireny andrin-jiro eto amintsika ireny, saingy tsy mbola nisy ny famitana ny asa hatramin'izao. Asa hiandrasana an'iza indray ? Fangatahana maro no tonga eny anivon'ity orinasa manome hazava ny tanàna ity ny hampidirana jiro ny kaominina maro, saingy tsy mbola vita izany. Ny fitaovana ve no tsy ampy sa ny herianratra hamatsiana ny mponina no tsy maharaka ? Miandry isika fa hatreto dia tsy tratran'ny JIRAMA ny tanjona hamatsiana herin'aratra ny Malagasy, na dia vonona ny handoa ny sarany lafo aza ny mponina. Sa ny fampiasana labozia isan-tokatrano no antsoina hoe faritra mivoatra ?




Oniversiten'i Toamasina
Nirefotra ny grenady, fiara enina voatora-bato
Nanao fihetsiketsehana ny mpianatra tany any amin'ny Oniversiten'i Barikadimy-Toamasina, afak'omaly alina. Vokatry ny delestazy no nahatonga ireo mpianatra nitroatra. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana mantsy dia maty tanteraka ny jiro tao anatin'ny faritry ny Oniversite tamin'io alina io, efa miverimberina matetika moa izany fahatapahan-jiro izay miantraika mihitsy any amin'ny fonenan'ny mpianatra ka nitarika ny fahatezeran'izy ireo.
Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany alina tany ho any no nanomboka ny fihetsiketsehan'ireo mpianatra. Nandoro kodiarana sy hazo teo afovoan'arabe, izay lalam-pirenena moa ireo mpianatra, ary tapaka nandra-pahatapitry ny fihetsiketsehana ny lalam-pirenena. Ireo fiara ninia nandeha (fiara madinika sy kamiao) dia voatora-bato avokoa. Araka ny fantatra dia teo amin'ny enina teo ho eo ny isan'ny fiara lasibatry ny tora-bato tamin'izany.
Nihoa-pefy tanteraka ireo mpianatra ka voatery nirotsaka an-tsehatra ny mpitandro filaminana avy amin'ny EMMO/REG izay nahitana zandary, polisy ary miaramila nandamina ny raharaha. Tamin'ny 9 ora sy sasany tany ho any no tonga tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ary voatery nanao tifi-danitra sy nanapoaka grenady, miisa 10 teo ho eo nanaparitahana ireo mpianatra. Nandritra ny ora roa teo ho eo moa no nandravan'ny mpitandro filaminana ity fihetsike-tsehan'ny mpianatra tany Barikadimy ity. Tamin'ny 11 ora sy sasany tany ho any moa vao nilamina tanteraka tao amin'ny Oniversiten'i Toamasina. Amin'izao fotoana izao moa dia efa milamina ny any an-toerana. Eo an-danin'izay dia manao izay ho afany ny mpiasan'ny JIRAMA mba hamerenana amin'ny laoniny ny jiro any amin'ny faritry ny Oniversite sy ny manodidina.




« Fa izaho, dia ny eo akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy. »
(Salamo 7328a)
Fa toy ny vao omaly, ilay andro nahaory,
Nandaozanao anay tsy hifampijery intsony
Tsy haiko nosainina ny tsy hahitanao
Na maty aza ianao ry Jean-Luc
Ny hany fiononanay dia ny miankina amin-dRay
Hany tokana mandahatra ka hofikiranay ho vahatra.




Tsy manaiky ho gisitra
Tsy hiantehitra amin'ny hetra fa mikaroka lalam-barotra. Io no fanamby hapetraky ny tompon'andraikitry ny tanana eto andrenivohitra. Tsy mitsahatra mivoaka mankany ivelany izy mitady izay fiaraha-miasa hanatsarana ity renivohitra ity.
Hanomboka ny asa hoy izy raha vao tonga avy any China, ary miditra antsehatra ireo mpiasa eo anivon'ny kaominina manatsara ny faritra heverina fa tokony hasiana fanavaozana. Heno koa fa hapetraka ny vato fototry ny fananganana ny lapan'ny tanana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia mivoaka lava, mikaroka izay mahasoa ny firenena. Lalam-bola hafa hiarahana amin'ny mpandraharaha vahiny no tanjona, ary maro no efa nahitana vokatra. Raikitra ny fifaninanana, ary tsy misy hanaiky ho gisitra eo amin'ny asa fampandrosoana izay tandrify azy. Ity no atao hoe fifaninanana masina, ary ho hita eo ihany koa izay kaominina tratra aoriana amin'ity taona ity, satria hisy ny loka ho an'ireo izay nahavita be. Ny filohan'ny repoblika no nilaza io. Dia ho hita eo ihany koa izay ahavita ny toky napetrany nandritra ireny fampielezan-kevitra nataony ireny. Mitazana ny vahoaka, ary mahazo manantena fa hipetraka ny asa mivaingana atsy ho atsy. Raha tsy hoe angaha mahita hialana bala indray ny sasany amin'izay fotoana izay.




Ambositra
Vazaha naiditra am-ponja
Omaly no nentina tany amin'ny fampanoavana tany Anosy ilay vazaha nahafaty olona tany Tsarasaotra-Ambositra, noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga, ny 7 may lasa teo, tamin'ny 10 ora maraina tany ho any.
Tsiahivina fa fiara 4x4 no nentin'ity vahiny ity. Vokatry ny tsy fitandremana nataony, izay nirimorimo mafy dia mafy dia nifanehitra tany amin'ny fiara mini-bus izy. Maty teo noho eo moa ny mpamilin'ilay mini-bus tamin'izay fotoana izay ary olona fito hafa naratra nandritra izay lozam-pifamoivoizana izay.
Amin'ny toe-javatra tahaka itony moa dia tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana amin'ny fanaovana famotorana. Nalaina am-bavany tany amin'ny zandary ilay vahiny ary avy eo nentina tany amin'ny fampanoavana. Amin'izao fotoana izao izy dia notanana any amin'ny fonjan'Ambositra mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.




Fanarenana ny lapan'ny tanàna
Iza no hamatsy vola ny kaominina ?
Manomeza kely. Isan'ny teny fanarabiana ataon'ny ankolafin'olona eto amin tsika io rehefa te-hangataka amin'olona iray hafa. Nanomboka tamin'ny naha-may ny rovan'i Manjakamiadana no nandrenesana io teny iray io.
Ny datin'ny 13 may ho avy izao no fantatra fa hametraka ny vato fototra ho fanarenana ny lapan'ny tanana etsy Analakely ny ben'ny tanana Andry Rajoelina. Isan'ny ben'ny tanàna nanana finiavana hanarina io lapa io indray izany ingahy Andry TGV. Ny ben'ny tanàna Guy Willy Razanamasy no fantatra fa sainga hanarina io lapa io, taorian'ny fitondran'ny AKFM ny tanàna, nefa rehefa niakatra teo amin'ny fitantanana ny tanàna ny ben'ny tanàna Ravalomanana, dia nofoanany io fifanarahana tamin'ny firenena vahiny io. Nanomboka teo dia zary nihanjahanja irery teo ity faritra ity, ary ny ben'ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanita-kevitra nanatsara io faritra io novolena voninkazo mahafinaritra ho toerana fialana sasatra ho an'ireo izay valaka amin'ny asany.
Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny vola entina hananganana ny lapa, fa mifanindry tanteraka ny daty nahamay ity toerana manan-tantara ity ny andro hametrahana izany vato fototra izany. Mba nankaiza tokoa ireo vola nangonina hanarenana ity toerana ity tamin'ny fotoan'androny ? Enga anie mba tsy ho heno intsony ilay fiteny etsy aloha manao hoe manome kely hanarenana ny lapa ? Sa izay no heverina fa tetika ho entina hananganana ny rava ?




Miverina ny ady politika
Notandindonin'ny sahotaka ny tontolon'ny fampandrosoana ara-politika ao amin'ny kaominina Antanifotsy, anatin'ny faritra Vakinankaratra tamin'ny herinandro lasa iny. Nahazo taratasy mahakasika ny fifidianana ben'ny tanana farany teo ny ben'ny tananan'Antanifotsy, Atoa Rabevason, ka nanaovany fanambarana tamin'ny radiom-paritra « Radio vary sy rano ». Ren'ny vahoakan'ny Vakinankaratra izany tamin'ny zoma, nandritra ny fotoananan'ny vaovao, ary naverimberina. « Aoka tsy ho taitra na hisahotaka isika vahoaka manoloana ny taratasy nalefan'ny tribonaly », hoy ny tenin'ny ben'ny tanàna. Rehefa nanatona azy ny tenanay dia nambarany fa setrasetra politika nataon'ny mpifanandrina tamin'ny fifidianana ity zava-mitranga ity. « Na inon-kidona, na inon-kihatra dia tsy hanosihosy ny safidim-bahoaka izahay », hoy ihany ny ben'ny tanàna.
Variana miady indray an !
Araka ny nambaran'ny lefitra faharoan'ny ben'ny tanana anefa dia efa an-dalana ny fampandrosoana satria efa nankatoavin'ny kaominina rahavavy atsy La Possession, La Réunion ny tetik'asa fampandrosoana ho an'ny vahoaka, ka ahiana ho potiky ny hambom-po politika.
Azo antoka tokoa fa toa mitady ho tsabahan'ny antokon'ny fanjakana indray ny raharaha ka hiverina ny adilahy politika, tsy hahavitan-javatra. Dia variana amin'ny adilahy eo indray aloha, nefa ny fanarenana ny trosa navelan'ny teo aloha mbola tsy vita akory. Ny jiron'ny kaominina aza mbola tsy niverina hatramin'izao. Marihana fa avy amin'ny fikambanana ALDR, miaraka amin'i Manandafy Rakotonirina ity ben'ny tanana ity. Eo no mipetraka ny ahiahy satria ny teo aloha aza samy mitonona ho TIM, nefa dia niady noho ny tombon- tsoan'ny tena irery.




Mgr Rémi Joseph Rabenirina
Un autre grand oublié
Les Manandafy Rakotonirina, Clément Ravalisaona, Rév. Randrianalijaona Andriamanampy et Pierre Raharijaona ne sont pas les seuls oubliés par le président Marc Ravalomanana lorsqu'il a désigné les 11 sénateurs de son quota. Il y a également Mgr Sa Grâce Rémi Joseph Rabenirina, parmi les quatre chefs d'églises du FFKM considérés comme les quatre anges gardiens de Ravalomanana durant les évènements de 2002. Dr Rabenorolahy Benjamin, une fois qu'il a été remplacé à la tête de l'église luthérienne (FLM), a été récupéré par le président de la République. Celui-ci l'a nommé au poste de son conseiller technique. Et tout récemment, le prédécesseur du Dr Rakoto Endor Modeste a été désigné sénateur. Quant au pasteur Edmond Razafimahefa, le prédécesseur du pasteur Lala Rasendrahasina, il a basculé dans l'opposition immédiatement après son éviction de la présidence de la FJKM. On ne sait plus ce que le pasteur Edmond Razafimahefa est devenu actuellement. Le cardinal Gaëtan Razafindratandra, celui que l'Archevêque Odon Arsène Razanakolona a remplacé à la tête de l'EKAR, se trouve en ce moment dans la même situation que Mgr Rémi Joseph Rabenirina, à la seule différence que le président Ravalomanana lui a fait construire une belle maison de retraite à Besalampy.
A noter que le vicaire général Dery Rakotoarimanana assure l'intérim en attendant l'élection du successeur de Mgr Rémi Joseph Rabenirina à la tête de l'église anglicane.




Fiangonana Loterana Malagasy any Frantsa (FLMF)
FLMF Fileovana vaovao
Notokanana tamin'ny alahady 4 Mey teo ny Fileovana Ile De France araka ny fanapahan-kevitry ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synode Lehibe) natao tany Fianarantsoa tamin'ny taona lasa 2007 teo. FLM 03 dia Malakoff, La Rochelle any Nantes no miankina amin'ity Fileovana Ile De France vaovao ity. Ny Teny Faneva amin'ny Jaona 10 : 16 a manao hoe : « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko ».
Tonga marobe ireo mpianakavin'ny Finoana. Fianakaviam-be Loterana aty Frantsa, notarihan'ny Filohan'ny FLMF, Pastora Dr Habberstad Rakotondrazaka, nisolontena ny Prezidan'ny FLM Foibe, Pastora Dr Rakoto Endor Modeste, izay nandefa fialan-tsiny sy ny tso-drano hoan'ny Fileovana vaovao Ile De France. « Ny Fileovana dia tsy anarana entina fotsiny ihany, hoy ny Pastora Filohan'ny FLMF, fa mitaky adidy sy fandraisana anjara mavitrika eo amin'ny samy Fitandremana hoentin'ny Pastora avy : Fiaraha-miasa, Fifankatiavana, Asa misiona sns... hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra ». Tsiahivina fa Toriteny nifantoka tamin'ny hoe : « Mpiandry Tsara » izay midika fa ny Mpiandry tsara dia izay manao ny asa ampitiavana amin'ny alalan'ny Feo marina sy tokana, dia ny Feon'ny Jesosy kristy Jesosy ihany. Ary marihina fa samy nifandimby nirary soa ho an'ity Fileovana Ile De France ity ireo Fileovana rahavavy izay tonga nanotrona.
Nitondra ny teny fisaorana fohy ny solontenan'ny Fileovana vao natokana Atoa Ramandrantosoa Zaka, ary mazava ho azy fa ny Ray amandreny mpitondra Fileovana, Filohany, Pastora Raseta, dia namporisika hatrany ny kristiana mpiara-mivavvaka, tamin'ny alalan'ny Teny filamatry ny Fiangonany hoe : « Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona... » (Hebreo 10 : 25a) Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo (agape) ny fanompoam-pivoriana Fanokanana.




Lany andro manarina
Aoka izay ny fanapotehana, fa ho sasatry ny miarina ny firenena raha izay no manjaka eto amintsika. Mifantoka amin'ireo asa fanarenana maro atao eto ny saina. Isan'io ny Rovan'ny Manjakamiadana, izay antenaina fa ho vita amin'ny taona ho avy iny. Toy izany koa ny fanarenana amin'ny laoniny ny lapan'ny tanàna etsy Analakely.
Vakoka Malagasy tsy azo apetraka ho nofy ireo asiana fanarenana ireo. Hetraketraky ny Malagasy iray rà amintsika no naha-potika hotohoto azy ireo. Tsy voarenina ao anatin'ny fotoana fohy anefa fa aman-taonany maro vao ho vita. Samy nisento ny maro raha nandre fa misy ny finiavana hamerina amin'ny laoniny ireny fananam-pirenena ireny, ary io efa hiaraha-mahita io ny fizotry ny asa etsy amin'ny Rova.
Hambom-po diso toerana kely dia efa maharava fananam-pirenena maro. Isan'io ny fahalatsahan'ny toe-karena isaky ny misy grevy eto amintsika. Firy ny fananam-bahoaka potika, ary ny tena mafy dia ireny vakoka manan-tantara ireny no tena lasibatra. Odian-tsy hita ve ny nahazo ny trano fianarana lehibe iray tao Fianarantsoa, taona vitsy lasa izay ? Firy taona indray vao hisy ny fanarenana ireny, ary iza no ho voa manoloana izany ? Ho lany andro manarina eto isika mianakavy raha tsy mahafehy tena kely fotsiny. Miainga any amin'ny fanarenana ny toe-tsaina, ary mipaka any amin'ny tanjona ho fanovana ny tanindrazana, izay hirosoana amin'ny tsara hatrany. Ho tetikasa vaovao hatrany no hajoro fa tsy ho sanatria hanarina ny fanimbana nataon'ny sasany no andaniana ny fotoam-piasana ho an'ireo nametrahana andraikitra eo amin'ny fitantanana ny fianam-pirenena.




Lalàm-pifidianana
Tsy maika intsony ny depiote
Kely finoana ny maro ny mety hisian'ny fandinihana ny fanitsiana ny lalàm-pifidiana etsy Tsimbazaza. Maro ny nanao tolon-dalàna amin'ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana eto amintsika, nefa raha ny resaka natao tamin'ireo depiote teny an-toerana, dia mbola tsy dia maika loatra izy amin'izao, satria efa vita tanteraka ny fifidianana eto Madagasikara.
Tolo-dalàna maro no dinihana manomboka izao, saingy mbola tsy laharam-pahamehana aloha hatreto ny momba io lalàna iray io. Voafetra ihany koa ny fotoam-pivoriana ka izay no mety tsy hisian'ny fandinihana ireny lalàna hafa ireny. Ho hita eo ihany anefa, satria efa maro ireo sehatra tsy miankina no nandefa tolo-dalàna teny.




Antsirabe
Sakafo voapoizina * olona 25 naiditra hopitaly
Olona 25 no nahazo fitsaboana teny anivon'ny hopitaly-be Antsirabe taorian'ny fihinanana sakafo nisy poizina nandritra n'ny lanonam-pianakaviana natao ny sabotsy teo tao Androvakely Antsirabe. Rehefa vita ny fety dia nandoa sy nivalana ary narary an-doha mafy ny ankamaroan'ny olona nanatrika ny fety ny andron'ny alahady. Ny talata anefa vao nentina teny amin'ny hopitaly ireo tsy salama ary teo vao fantatra fa noho ny fihinana sakafo voapoizina no antony hoy ny mpitsabo. Tamin'io andron'ny talata io dia feno 25 ireo olona notsaboina voakasikizany ary ny efatra dia mbola eny amin'ny hopitaly, tsara ny manamarika fa ny 6 tamin'ireo 25 dia ankizy latsaky ny 15 taona. Araka ny nambaran'ny mpitsabo nanao ny fizahana dia vokatry ny fifangaroan'ny atody sy menaka no anton'ny fahavoazana.




Fakana zaza an-keriny
Afaka nitsoaka izy roa vavy
Zazavavy roa avy nianatra ny harivan'ny talata no nisy naka an-keriny teo amin'ny làlana Andranomafana. Zazavavy roa tsy mifankafantatra no noraisin'ireo jiolahy telo nisaro-tava, ary rehefa voarainy dia naiditr'izy ireo tao anaty kamiao. Nofatorany ary notapenany ny vavan'ireo ankizy ary napetrany tamina trano lehibe iray tao Vohijanahary, tanàna iray somary lavidavitry ny tampontanàna. Rehefa tonga teny an-toerana dia nasain'ireo jiolahy nomen'ireo ankizy ny laharan'ny telefaonin'ny ray amandrenin'izy ireo ary nambarany fa raha tsy manome Ar 10 000 000 izy ireo dia ho vonoina ireo ankizy amin'ny zoma. Tsara homarihina fa ny findain'ireo ankizy ihany no nandefasan'izy ireo sms tamin'ireo ray aman-dreny tsirairay avy. Nandritra izany rehetra izany anefa dia nanaraka ny vono sy ny famingavingana ary naratra ireo ankizy. Navelany irery tao nandritra ny alina ireo ankizy ary novahany ny fatorana rehetra. Nanita-tsaina anefa izy roa vavy kely ka nopitsohany ilay varavaran-kely ka tafavoaka tao izy roa vavy ary namonjy ny trano fonenany.
Hatramin'ny fotoana nahazoana ny vaovao dia mbola ny ray aman-drenin'ny zaza iray ihany no tonga nametraka fitoriana teny anivon'ny polisy miaraka amin'ilay zaza nalaina ankeriny. Araka ny nambaran'ilay zaza aloha dia tsy nisy ny fametavetana fa nodarohany mafy izy roa vavy. Efa nisy ny fidinan'ny mpitandro ny filaminana teny amin'ilay trano teny Vohijanahary ary efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny mpiambina ilay trano tamin'ny alina nisehoan'ny fakana an-keriny.
Mbola mitohy ny fanadihadiana amin'ity raharaha ity ary mbola ho entina eto ny fivoarany amin'ny manaraka.




Manita-tsaina
Tsy hita veroka hatramin'izao ny ho avin'ny fanatanjahan-tena Malagasy. Tsy mbola voapetraka izay olona hisahana azy io eto amintsika na dia efa tapa-bolana aza no nahatona tamin'ny toerany ny minisitra nisahana azy io teo aloha.
Tsy miandry izany anefa ireo mpikotrana eto amin'ny tanàna fa lasa manita-tsaina any an-kafa. Fantatra izao fa be mpitsiriritra ireto mpilalao Malagasy ireto, ary efa misy ny nahazo fifanarahana hilalao any ivelany. Toy ny entam-barotra izy ireo, ka misafidy ao amin'ilay klioba nilalaovany teo aloha ny vahiny. Tsy vidiana mora anefa fa amin'ny sandany lafo tokoa. Rehefa tsy hamokatra ve ny eto an-toerana tsy aleo mila ravin'ahitra any ivelany ? Ho reharehantsika tokoa ireto tanorantsika ireto atsy ho atsy. Ny firenena niaviany hanakoako any ivelany, ary ny vola hiditra ho an'ny mpilalao. Tsy midika izany fa hamokatra ho an'ny hafa isika, fa isan'ny tanjona ihany koa ny toa izao, satria rehefa tsy halaza eto an-toerana tsy aleo mba ho reharehan'ny vahiny ? Sa mamadika tanindrazana izany ?




Fanarenana ny lapan'ny tanàna
2 taona no hamitana azy, ary vola Ar 2,5 miliara no ilaina
Ny sabotsy izao no hapetraka ny vato fototra hanarenana ny lapan'ny tanàna etsy Analakely. Vola Ar 2,5 miliara no ho entina manangana izany, ary tsy maintsy vitaina ao anatin'ny 2 taona. Vola avy amin'ny FAR sy avy amin'ny fitondram-panjakana no voalaza fa hanarenana ity lapa may ity. Ny fitondrana Alemana ihany koa dia hanampy betsaka amin'ny fampitaovana amin'ny fanarenana ny lapan'ny tanàna etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey.
Ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina no hametraka io vato fototra io, ary manomboka eo dia efa vavany avy hatrany ny orinasa hanatanteraka ny asa. Io sabotsy io no ahafantarana ireo mbola hanampy amin'ny fananganana ny trano. Tsy hisy fiovana amin'ny endriny teo aloha izany lapa izany, nefa maka maoderina kokoa, ary hisy toerana azo hialana voly tsara ny manodidina. Hiova endrika tanteraka ny renivohitra rehefa vita io, ary ho toerana lavitry ny hetsika politika tanteraka iny faritra iny. Ny antony, dia ho voaravaka voninkazo maitso ny manodidina. Raha ny fahitana ity asa ho atao ity, dia hita fa hisy ny fiaraha-miasan'ny eo anivon'ny kaominina sy ny fanjakana. Diso tanteraka izay nampifangaro ny resaka politika amin'ny asa fampandrosoana.
Fa mbola resaka kaominina ihany, dia fantatra izao, fa mety ho tara ny fandoavana ny volan'ny mpiasa eo anivon'ny kaominina an-dRenivohitra amin'ity. Ny antony dia misy fahasimbany ireo milina mikirakira ny taratasy fandraisana vola, ary miandry ny fahavitan'io masinina io vao afaka mandoa ny volan'ny mpiasa ry zareo.




Asehoy ho fanta-bahoaka
200 ny Malagasy voan'ny SIDA hoy ny haino aman-jery iray teto amintsika ny alarobia maraina teo. Fanazavana azo nandritra ny hetsika nokarakarain'ny ministeran'ny fahasalamana tetsy Befelatanana ny alatsinainy hariva teo no nandrenesana izany. Azo adika fa efa zava-doza mananontanona ny fiainantsika Malagasy ny toy izany.
Tsy ahilikilika ny voan'ity areti-mandoza ity, hoy ny dokam-barotra etsy sy eroa. Marina izany satria olom-belona tahaka antsika izy ireny, ary azo sosoana hoe tsy fidiny azy ireo ny hitondra ity aretina ity, ankoatry ireo nilingilingy tany ambadika tany angaha. Ny ratsy hono tsy misy tandroka, ary tsara raha aseho ho fanta-bahoaka tahaka ireny olona boka na marary voan'ny homamiadana ireny izy ireo. Mora hitandreman'ny hafa ny anton'io. Teny tsy hay kosehina ao andohan'ny maro ilay fomba fiteny hoe raha ho faty aho, dia matesa rahavako. Tsara ny mitandro ny maha-olona ny hafa, nefa tsara lavitra noho izany ny mifehy ity aretina ity tsy hiparitaka amin'ny mpiray tanindrazana.
Hatreto aloha dia ny tsy fahaizana mifehy tena no anton'ny hiparitahan'ny tsimok'aretina haingana indrindra. Sa fahafinaretana aloha vao mandinika ny mety ho vokany ?




Fonjan'ny Tsiafahy sy ny gadra politika
Ny mivavaka ny tena andanian'izy ireo andro
Izay iray aina iray vatsy. Olona natambatry ny politika ao amponja ireo fianankavianay ireo, ka tsy tokony hanangana fahavalo ho an'ny tenany ny rehetra. Vadin'olona ambony teto amin'ny firenena manana havana migadra ao Tsiafahy no nilaza izany tamin'ny mpanao gazety omaly. « Hanaterana sakafo manta toy ny vary sy hena ary voamaina ny havanay, ary izy io indray no mifampitsimbina amin'ny ireo namany ao amponja ».
Ankoatry ny korana fanalana andro, dia ny vavaka no tena mibahana ao amin'ny fianan'izy ireo. Manana baiboly avokoa izy rehetra. Saika efa voavaky voalohany ka hatramin'ny farany ny baiboly DIEM. Nampiova fo ny fidiran'ny havanay ao amin'io fonjan'ny Tsiafahy io, hoy ity renim-pianakaviana ity. Saika vita batemy tao amponja ihany koa izy ireo. Voalaza fa ireny mpitondra tenin'ny soratra masina ireny no nanao izany batemy izany.
Tao anatin'ny tsiky malefaka no nilazan'ity ramatoa ity ny teny hoe, rehefa mivoaka ny fonja indray andro any angamba ny vadiko, dia hanadino tanteraka ny politika, fa mety ho lasa mpitory ny filazan-tsara.




Fiverenan'ny federasiona baolina kitra
Be ny ministra tsy handray baiko intsony
Hijery baolina iraisam-pirenena indray ny gasy manomboka izao. Niverina tamin'ny toerana nilaozany ny federasiona ny baolina kitra, ary tsy hita pesipesenina ny hevitra nivoaka tetsy sy teroa taorian'ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana. Resy ny fanjakana, ary hitondra henatra ho an'izay niniha nanome baiko hampandrava ity federasiona ity ny tahaka izao. Misy ny mihevitra fa azo atao toy fibaikoana ny mpiray tanindrazana ny fifehezana ny FIFA, saingy itsy farany no tsy nanaiky lembenana, dia iny niarahana nahita iny zava-nisy teto.
Resy ny ministeran'ny fanatanjahantena, ary nitondra henatra ho an'ny fanatanjahantena malagasy iny fampiatoana ny federasiona iny. Tsapan'ny maro, fa raha vao nahato tamin'ny asany ny ministra Ramiaramanana, dia efa maro no nihevitra fa hiverina amin'ny toerany ny federasiona. Hatreto dia be ny ministra tsy handray baiko intsony, sao tratran'ny toy ity niseho teo amin'ny fanatanjahantena ity. Miandry izay angovo vaovao ho entin'ireto saika very seza koa ny rehetra, satria ny volana jiona iny, dia efa hifanitsana amin'ny mpilalao avy atsy Afrika isika. Ny baolina kitra Malagasy mitohy, fa ny endrika tsy fifampitokisana ao anaty fanjakana ve hifarana hatreo ?




Kongresin'ny TIM
Be ny ho voahilika amin'ny andraikiny
Tsy takona afenina ny disadisa anatin'ny antoko TIM. Andro vitsy tsy hanombohan'ny kongresy no mbola ahitana fingampingana isan-karazany ao anatin'ity antoko ity. Endrika tsy fifampitokisana eo amin'ny samy tompon'andraikitra no hitarafana izany.
Ny tsy ampoizin'ny maro dia hatrany amin'ireo mpikirakira ny serasera sy ny fifandraisana ao anatin'ny antoko, dia toa hanjakan'io disadisa io. Samy te-ho mamy hoditra amin'ireo lehibe amboniny ny ankamaroany, ka tsy voafehy intsony ny tsiambaratelon'ny antoko. Ity kongresy andiany faha-roa ity no ahatsapana fa be ireo hovoahilika amin'ny andraikitra izay notazoniny teo aloha, ary hisy ny olona tsy ampoizina ho tafakatra amin'ny sehatra maro isan-karazany.
Ny 21 Mey izao no hanombohan'ity kongresy ity, ary mpizaika hatramin'ny 5000 no hiatrika izany, manerana ny faritra 22.




Be no ho voaringitra
Andro maro izay no niakaran'ireo hambara ho mpanongam-panjakana tetsy amin'ny fitsarana etsy Anosy. Nirarakompana ny fivoahan'ny tsiambaratelo momba ny fivoahan'ny fitaovam-piadiana nampiasaina, izay niainga tamin'ny raharaha 2002 sy ireo nataon'ingahy Jeneraly Andrianafidisoa ny 17 Novambra 2006 ireny.
Tsy misy afa-bela ireo anaran'olona maro voatonontonona eny amin'ny fitsarana, satria hambara ho mpiray tsikombakomba avokoa izy ireny. Maro ny efa migadra, ary tsy vitsy no alaina ambavany. Tsy mifankahazo intsony ingahy Pety Rakotoniaina sy ny jeneraly Andrianafidisoa, satria mifandetika tanteraka nandritra iny raharaha teny amin'ny BANI Ivato iny. Raha ho faty aho matesa rahavako hoy ny fiteny Malagasy izay. Mazava ho azy fa be ny ho voaringotra amin'ity resaka fanonganam-panjakana ity, ary na ireo fitaovam-piadiana nivoaka tetsy sy teroa aza dia ho tompo-marika amin'izany ireo teo anivon'ny tafika.
Ho gaga ve isika raha hita taratra ny tsy fifampitokisana eo amin'ny hery samy hafa eto amin'ny firenena ? Mazana ny olona mpiara-diha hatrany no mifamorika rehefa tonga ny sarotra toy ity mitranga momba ny jeneraly Fidy sy Pety ity.




Gazety
Roboka ny mpanambola
Ambara ho tsy malalaka nefa miroborobo. Io no hitarafana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mihoatra ny zato ny karazana gazety antsoratra eto Madagasikara, ary tsy latsa-danja amin'izany ny radio. Ny fahita lavitra no hita fa vitsy raha mitaha amin'ireo.
Gazety fanehoan-kevitra na fambolena na ihany koa fiaraha-monina sy ny politika, ary mipaka hatrany amin'ny gazety hivoizana ny fivavahana. Ireo dia hita avokoa, saingy misy ny mivoaka isan'andro, ary ao ny isa kerinandro. Ny isam-bolana sy ny isan-taona dia hita eto avokoa. Ny tena fantatry ny maro anefa dia ireo mivoaka isan'andro, satria efa amam-polony izy ireny amin'izao fotoana izao. Fifaninanana masina no hilazana azy.
Ny mpandraharaha vaventy eto amintsika, dia saika manana ny gazetiny avokoa, na io gazety antsoratra, na fahitalavitra, ary tsy vitsy no manana radio. Ny mpanao politika kosa, dia vitsy no mbola nahatafatsangana ny azy, fa izay nanana dia nivarotra ny teo antanana. Na dia hambara ho misy aza ny teritery eo amin'ity asa ity, dia tsapa fa miroborobo izy io eto Madagasikara. Ny mpamaky no misafidy izay heveriny ho mahafinaritra azy, ka tsy ho gaga isika raha misy ny latsaka an-dàlana noho izay tsy fahaizana mifehy ny filan'ny mpamaky izay.




Vary, varimbazaha, katsaka...
Tsako na tsakotsako dia fandinihana lalina an-tsaina alohan'ny hanapahana hevitra. Mamadibadika, maka ambony, maka ambany, mamotopototra. Fa dia midika ihany koa hoe katsaka. Ary ny resaka eto dia resaka sakafo maneran-tany. Raha ny vary no tena be mpihinana eto amintsika, tsy vitsy ny mihinana katsaka. Ny mofo dipaina azo avy amin'ny lafarina vokatry ny varimbazaha moa dia tonga hatrany ambanivohitra lavitra any, ary tsorina fa efa isan'ny sakafo mahazatra ny mponina an-tanàndehibe rehetra. Amin'izao fotoana izao dia mananontanona ny "krizin-tsakafo maneran-tany". Mampitandrina ny Firenana Mikambana ary efa maro ny firenena tsy mivarotra vary na varimbazaha any ivelany intsony. Asa mety ho fitaovana hambabona fanjakana iray na maromaro tahaka ny solika indray ity sakafo ity. Ny mahasadaikatra kely dia toa tsy mino izany loza mitatao izany loatra ny Amerikana tsotra. Ny mpitondra fanjakana foibe an-drizareo no hita misomebiseby fa raha ny olon-tsotra dia toa tsy azony an-tsaina izany tsy fahampi-tsakafo izany. Tsy miafiafy mihitsy ny Amerikana raha ara-tsakafo. Raha tsorina dia manana ny ampy tanteraka rizareo. Ary ampian'ny fanjakana ara-bola ny mpamboly varimbazaha sy katsaka. Raha any aminy tokoa dia ny akoho no taratra ho sakafon'ny mahantra. Nahandro isan-karazany no hanaovany azy ary mirary dia mirary ny vidiny amin'ny volany. Tahaka izany koa ny mofo voasesika isan-karazany. Asa aloha na misy inona ireo karazan-tsakafo ireo fa dia toa mampatavy ratsy tsisy ohatra izany. Miteraka "obésité" na atavezana mihoapapana. Maro no milaza fa ny vary dia tsy miteraka "obésité". Asa izay fahamarinany fa misy ihany ny vary mainty.




Atambaro izay tokony hiaraka
Tsy ny olona no tsy ampy fa ny mpitondra no mahafehy izay andraikitra ankinina aminy. Toa izao hitarafana ny andraikitra sahanin'ny ministra eto amintsika ireo. Hita izao fa olom-panjakana iray misahana toerana maro toa nyPraiminisitra lehiben'ny Governemanta. Toy izany koa ny ministry ny fahasalamana izay misahana ministera roa raha toa ka natambatra iray ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly. Fitsitsiana avokoa izany hoy ny mpitazana, satria raha ho vitan'ny iray ve nahoana no zaraina amin'ny hafa indray ny seza.
Hitazana ny fomba fiasan'izy ireo ny rehetra, satria ny fanontaniana voalohany dia ny hoe ho zakan'izy ireo ve ny andraikitra izay nomena ho sahaniny ? Manao ahoana ny ministera izay tantanany ankehitriny, mandeha ve sa tsia ? Nomena andraikitra hafa indray anefa izy io, izay goavana fa tsy kely izany fanatanjahan-tena sy kolontsaina izany.
Atambaro izay tokony hitambatra, hoy ny mpitazana, nefa nahoana no izao vao natao raha ho fantatra fa ho vitan'ity olona ity avokoa ny rehetra ? Ny tsapa dia misy asa tsy azo omena olon-kafa toy ny hita teo aloha, izay sady depiote no mbola mitana andraikitra goavana tao amin'ny Port Toamasina. Misy andraikitra takian'ny filoha amin'ny rehetra ka izay angaha hoy ny maro no mahatonga fanovàna mpiara-miasa aminy matetika ity.




Lapan'ny tanàna
Hijanona ho faritra mena
Faly ny maro fa harenina ny lapan'ny tanàna. Roa taona dia ho vita ny asa, ary nisy ny famatsiam-bola avy amin'ny filoha Ravalomanana. Vonona ny tenako handray ny andraikitra amin'ny fanarenana hoy ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina, ary fiaraha-miasa amin'ny mpamatsy vola no ahavita izao asa izao.
Ny asa no hanomboka, fa ny tantara ara-politika kosa hanao ahoana ? Maro ny mpanao politika no nanambara fa tokony hipetraka ho faritra mena io toerana io mba ho fiarovana ny asa izay hatomboka eo. Raha mbola hanjakan'ny hetsi-bahoaka ny eny an-toerana dia ahiana ho tsy ho voatana indray ny fihetsem-po ho an'ny vahoaka ka mety hanimba izay asa tafajoro eo. Hanana ny endriny indray ny renivohitra raha vao vita ity lapan'ny tanàna ity, ka izay no ilàna fitandremana amin'ny asa goavana tahaka izao.
Na ireo mpanao politika avy ao amin'ny fanoherana aza dia naniry ny hijerena toeran-kafa hanaovana fihetsehana, satria tsy mora ny manarina ny fahavoazana toy izao, raha misy ny trangan-javatra tahaka izay niseho 36 taona lasa izay. Raha vita ity asa ity, dia folo taona tato afara no nahitana asa goavana teto andrenivohitra. Isan'io ireo làlana migodana vita manodidina an'i Iarivo. Ny tsena etsy Anosibe, ary ireo làlana isaky ny elakelan-trano. Ny mpitondra tsy mametraka asa mivaingana no maha-farahidy indrindra ny mponina, ary tsara ny fifaninanana masina toy izao mba ho lovan'ny taranaka any afara.
Ny fikojana ireny zava-bita ireny, dia ilàna fandraisana andraikitra goavana, mba tsy ho herim-po very maina ny antsika mianakavy.




Pierre Houlder
Tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra
Tokony hanana ny tetika politika ny antoko sy ny mpanao politika rehetra. Ny mpanohitra dia natao hanitsy ny mpitondra eo amin'ny fitondrana fa tsy sanatria ny hanongana lava izay mpitondra amperin'asa no atao. Tsy ankasitrahako ny fitarihana olona hanongam-panjakana an-dàlambe satria io no namotika ny firenena hatramin'izay, ary tokony ahay haka lesona tamin'izay nitranga teto ny mpitondra.
Io no fanehoan-kevitra nataon'ingahy Pierre Houlder tao amin'ny Aceem Radio omaly antoandro. Nambaran'ity mpitarika ny Arema ity fa tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra, satria tsy manana sehatra afahany miteny sy maneho hevitra. Misy ireo manana hevitra tsara toa an'ingahy Germain Rakotonirainy fony fahavelony, nefa voabahana ny sehatra ahafany maneho izany hevitra izany. Toy izany koa ingahy Herizo Razafimahaleo, olona manana ny fahaiza-manao eo amin'ny lafiny politika na toe-karena, saingy tsy avela malalaka hilaza izany heviny izany. Kely finoana amin'ity fitondrana ity ingahy Pierre Houlder, satria raha vao nandray fahefana tamin'ny taona 2002 ireny ny filoha Ravalomanana, dia nambara fa afaka 3 volana dia hisy fiovana eto. 6 taona aty aoriana ve vao lazaina indray fa izao vao tena hanomboka ny fampandrosoana ? Momba ny hambaran'ny hafa fa tokony hiroso amin'ny rafitra tetezamita isika, dia nohamafisiny fa tsy misy tokony hitadiavan'ny mpanohitra seza amin'izao fitondrana izao. Io fitiavan-tseza io no efa nanimba hatramin'izay. Tokony hisy kosa anefa ny hevitra iraisana andatabatra boribory hanitsiana ny lalàm-pifidianana sy ny maro samihafa. Nanome lesona ny mpanao politika izay mihevitra fa ny hanoherana dia hanonganana mpitondra ihany koa ny tenany, satria raha tsy misy ny firaisankina eo amin'ny samy mpanohitra dia mbola samy mandeha samy maka ho azy no hita.




SKET GROOVE, Edition V
Tanteraka soa aman-tsara ny « sket groove », izay nankalaza ny faha 5 taonany tamin'ity taona ity izay notanterahina ny sabotsy 10 sy alatsinainy 12 mai lasa teo , « ny Sket Groove » moa dia hetsika goavana iray izay fanaon'ireo JEC « Jeunesse Etudiante Chrétienne » ao amin'ny Lycée Md François Xavier Antanimena, hetsika izay entina nitrandrahana ireo talenta miafin'ireo mpianatra ao aminy, izay efa toa zary mahazatra ireo mpianatra na dia isaky ny 3 taona aza no tanterahina, izay ahitàna : fifaninanana lalao basket izay ravahan'ireo trano eva isan-karazany ; fifaninanan-kira ; fifaninanana olo-mendrika na « Election miss ». Ny Lycée Md François Xavier Antanimena dia isan'ireo sekoly tsy manao ambanin-javatra ny tontolon'ny kolontsaina , sy ny fanabeazana ny tanora ho olom-banona, toy ny fisian'ny « JEC » izay fikambanana Tanora Mpianatra kristianina izay ivondronan'ireo kilasy faha6 ka hatrany amin'ny ambaratonga ambony manana tanjona mahafinaritra toy ny fanampiana ny tanora mba hiaina be be kokoa ny finoany an'Andriamanitra, ho tonga olona tompon'andraikitra sy hijoro ho olom-banona, ary ho tanora mahay mifanampy mifankahazo sy mifampifehy amin'ny rehetra.
Teo amin'ny fifaninanana lalao basket prô ary dia lasan'ny CFAC « Centre de formation aux activités du commerce » BAC+ St Fra ! ny amboara rehefa niadiavana tamin'ny ekipan'ny Cadet, teo amin'ny fifaninana tirs à 3 points kosa dia nobatain'i Lova ekipa avy ao amin'ny « TSI » ; ny lalao basket moa dia natokana ho an'ireo mpianatra sy ireo rehetra efa nianatra tao amin'ny sekoly ihany.
Teo amin'ny fifaninanan-kira kosa dia nampisehoan'i Domoina ny feo mangany izay nibatany ny amboara voalohany tamin'ny findramany ny hiran'i Bob Marley (redemptien song), narahan'i Elisah teo amin'ny laharana faharoa tamin'ny hiran'i Tosy (ho anao), ary ny laharana fahatelo kosa dia azon'i Anja mirahavavy tamin'i hiran'i Whitney houston (the greatest love of all). Ary ny farany nefa izay tena nankahafizin'ieo mpijery marobe dia ny fifaninana « Miss Sket groove », teny amboalohany moa dia 35 no isan'ireo mpifaninana, 16 kosa no niatrika ny mpitsara tamin'ny famaranana, ary telo tamin'ireo ihany no tsy maintsy ho voahosotra araka ny maha fifaninana azy. Lasan'i Rtoa kely Rakotomanantsoa Antsa Misandratra àry ny titre « Miss sket groove 5 », norombahan'i Rtoa kely RabesonTalbot Stéphanie Yanthà kosa ny anaran'i 1ère dauphine, ary ny 2ème dauphine kosa dia lasan'i Rtoa kely Rajaonary Koloina Vololon'Ny Aina, izy telo mirahavavy ireo moa dia samy mpianatr'i St Fra ! avokoa. Ny « sket groove » édition 5 tsy mitsahatra ny mivoatra araka ny fahitan'ireo mpankafy sy ny mpikarakara, ny fiainan'i JEC kosa dia mitohy, ary manomana fatratra sahady ny « grand camp » izay hatao any « fort Dauphin » ny volana aogositra ho avy izao izy ireo.
Nangonin'i Raw




Miasa miaraka no fahombiazana
Tena hanomboka ny asa miainga any ifotony. Ny ben'ny tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina omaly, dia tsy nihambahamba nilaza fa hankatoaviny ny tenin'ny filoha Ravalomanana milaza hoe : « miasa miaraka no fahombiazana ». Isan'ny nomeny lanja tamin'izany fiarahana miasa izany ny fanampian'ny filoha Ravalomanana ny kaominina eto an-drenivohitra hanarina ny Lapan'ny tanàna etsy Analakely.
Tsy hisy intsony ny sakana amin'ny asa atao isaky ny tanàna, satria ny torohevitra efa nomena teny Iavoloha izay nanomboka omaly ary hifarana anio. Ny ben'ny tanàna rehetra lany amin'ny 15 400 manerana ny nosy koa tsy hisy ho sahy hitsivalam-pandry amin'ny tetika aroson'ny fitondrana, sao hianjahanja samy irery eo. Tsy hipetraka intsony ny hoe « zanak'i dada » fa Malagasy iray isika, ka ny fandresena ny fahantrana no tanjona. Hiainga any amin'ny sefom-pokontany, hipaka hatrany amin'ny ben'ny tanàna sy ny lehiben'ny faritra ny raharaha, ary tsy ho afa-bela ihany koa ny Governemanta raha sanatria misy tsy fahombiazana. Feno ny fahefana, ary efa miara-miasa avokoa ny rehetra izay tsy misy fanavahana loko politika intsony. Ny mpanohitra io efa iarahana mahita io fa mangina tanteraka na dia misy fanehoan-kevitra tsy indraindray ihany aza. Ny asa vita izany no hifampitsarana manomboka eto, ary tsy hisy faritra ho tratra aoriana intsony. Sa ahoana ?




Faratsiho
Zazavavy kely nilatsahan'ny Fanahy Masina
Raharinaivo Laingo Prisca no anaran'ity zazavavy kely 11 taona azo ambara ho nilatsahan'ny Fanahy Masina ny alahadin'ny Pantekosta lasa teo tao Faratsiho. Tamin'ny andron'ny Jesoa dia voalaza fa niteny tamin'ny teny tsy fantatra ireo mpianany vantany vao naharay ny Fanahy masina. Torak'izany koa ny an'i Prisca satria hatramin'io alahady io dia lasa niteny amin'ny fiteny anglisy razazavavy, ka na miresaka aminy amin'ny ny teny gasy aza dia valiany amin'ny anglisy ihany. Ao amin'ny CEG Faratsiho no mianatra ity zaza ity ary ao amin'ny kilasy faha-6 izany hoe vao eo ampanombohana ny fianarana teny anglisy indrindra. Kamboty ray ity zaza ity ary taizana pasitera iray amin'ny Fiangonana « Jesosy Mamonjy ». Mianadahy izy ireo no taizan'i Pasitera. Nialohan'ny fetin'ny Pantekosta dia nanao vavaka fifadian-kanina ity zaza ity, faniriany moa tamin'izany ny ho raisina batisa tamin'io alahady io saingy noho izy mbola kely dia tsy mbola mety. Kanjo ny alahady dia tsikaritra ho faly sy nihinjakinjaka razazavavy ka nanomboka teo dia nanjary niteny anglisy. Gaga avokoa ny manodidina rehetra indrindra fa ny mpampianatra teny anglisy azy satria mbola vao abidy no atao any am-pianarana. Hatramin'io alahady io dia niova ny fomba fiainan'i Prisca manjary falifaly lalandava, sy tia vavaka ka isaky ny mahavita zavatra iray dia manatona ny « Hazofijaliana » ka mivavaka.




Mpivarotra amoron-dàlana
La Réunion kely no vahaolana
Miha madio ny sisin-dàlan'Antananarivo, indrindra ny ao ampovoan-tanàna ao. Nandritra ny herinandro teo ho eo izay no nahafoana ny mpivarotra amoron-dàlana teny Andohan'Analakely sy Ambohijatovo iny. Nesorina ihany koa ireo mpivarotra tavoahangy ao ambadiky ny « pavillon » Analakely, saingy toa efa niverina tsikelikely indray izy izao.
Tsy miala lavitra anefa ireo mpivarotra fa milanjalanja ny entany eny, ka raha vao tsy mahatazana mpitandro filaminana na polisy kaominaly dia avelatra an-tsokosoko eo ny entana. Dia indreny fa mitombo tsikelikely, ka mandram- paharivan'ny andro dia feno hatreny ampovoan'ny arabe. Somary namonjy ny sisin-dalana eny amin'ny « petite vitesse » eny ny ankamaroan'ireo mpivarotra. Misy hatrany ny fifanenjehana saingy mahalana, hany ka alaim-panahy hiandry eo ireo mpivarotra.
Feno mpivarotra indray eny amin'ny sisin-dranon'Andriantany, amin'ny làlam-by eny Anosibe sy Ampefiloha iny. Tsikaritra aloha fa na eo aza ireo entana notsimponina teny amin'ny fako, dia betsaka ireo entana vaovao. Ireo mpivarotra amoron- dàlana voaroaka teny Analakely ireo !
Nampiverina ny anarana « La Réunion kely » ity fivoarana ity. Hita eo daholo ny karazan'entana rehetra, na tsara na ratsy, na halatra ihany koa aza...
Miantraika any amin'ireo mpivarotra matihanina anefa ny fahaveloman'ity tsena tsy andoavana hetra ity. Manginy fotsiny ny loto sy ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny ankapobeny.




Ibity
Misy mangalatra ireo zava-maniry harovana
Efa tafiditra sy voasokajy ao anatin'ny faritra harovana ato anatin'ny faritra Vakinankaratra ny haram-bato ao Ibity. Anisan'ny naha-voafidy azy ho arovana ny fananany haren-javaboary maro na zava-maniry izany na karazam-biby ao ihany koa ny lavaka nanahary mankadiry na « Grotte ».
Ny faran'ny herinandro teo ary dia lehilahy iray 28 taona no tra-tehaky ny ben'ny tanàna nitondra karazana « orchidée » iray sobika andeha haondrana amidy any Antsirabe. Tsy vao sambany no nisy tahaka izao teto Ibity fa efa matetika ary efa misy fianakaviana maromaro mivelona amin'ny fivarotana ireo « orchidée » amin'io faritra harovana io. Araka ny nambaran'ilay tovolahy dia isak'alina no hakan'izy ireo ny voninkazo ary hamidy maraina eny Antsirabe. « Olana mianjady amin'ny fiarovana ny faritra », hoy ny Ben'ny tanàna, ny halehibeny nefa tsy misy mpitandro ny filaminana mifanampy aminy akory hany ka raha misy tratra dia mamerina rehefa votsotra satria maivana ny sazy atao aminy ».
Raha voasokajy ho faritra arovana ny faritra iray dia tokony misy ny fepetra arahina manarak'izany fa tsy avela ho baranahiny.




Hetsika sendikaly
Ar 400.000 ny karama farany ambany
« Tsy ampy intsony ny fitakiana ny karama farany ambany ho Ar 210.000 ». Io no nambaran'ingahy Florentin, mpitarika sendika manoloana ny fiakatry ny vidim-piainana ankehitriny. Tsy mijanona tamin'ny 1 mey iny ihany no tolona sendikaly, fa hitohy. Ho raiketina an-taratasy ireny fitakiana ireny, dia alefa eny anivon'ny mpampiasa sy ny fanjakana. Izy ireo indray no mandinika ny mety ho tombontsoan'ny mpiasa. 18 tapitrisa mahery isika eto Madagasikara nefa 0,5% no mpiasam-panjakana. Rariny raha hampiakarina ho Ar 400.000 latsaka kely ny kara farany ambany ho an'ny mpiasam-panjakana. Ny 56% amin'io dia lany amin'ny sakafo, ary ny 7% kosa dia atokana amin'ny fitaterana. Ny fahasalamana sy ny hofatrano ny ambiny io.
« Tsy manonofy izahay raha mitaky ity mari-karama farany ambany ity, satria isan'ny mampiditra hetra betsaka ny vahoaka malagasy, ary rariny raha mba omena sehatra amin'izao ngidin'ny fiainana izao ny mpiasa. Vitan'ny fanjakana ny manao izany raha toa ka eo amin'izy ireo ny finiavana hampakatra ity karama farany ambany ity », hoy ihany izy.




Ben'ny tanàna etsy Iavoloha
Sady miofana no hiatrika kongresin'ny TIM
Tafapetraka ny paika isan-karazany iatrehan'ny TIM ny kongresiny manomboka rahampitso. Tonga avokoa ny mpizaika rehetra manerana ny faritra 22, ary isan'io ireo ny ben'ny tanàna izay miatrika fiofanana etsy Iavoloha izay hifarana anio.
Tsapan'ny maro fa ity kongresy ity no tena mibahana tamin'ny nampiakarana ireto ben'ny tanàna eto an-drenivohitra ireto. Ny fiofanana amin'ny fahaizana mitantanana, dia fanampiny fotsiny ihany. Matoa ny olona iray milatsaka ao amin'ny kaominina sy ny faritra iray, dia efa manana ny tetika heveriny hampandrosoana ny tanàna hiandreketany izany. Tsy ny fiofanana tampoka ao anatin'ny roa andro no heverina fa hampiova ny kaominina fa fanampiny fotsiny ireny. Ekena fa zava-dehibe ny fanambaran'ny mpitondra ambony isan-karazany omaly teny Iavoloha amin'ny fanampiana ny kaominina isan-karazany, saingy mijanona ho fanampiana ihany koa ireny raha tsy eo ny finiavana maty paika hananan'ireny ben'ny tanàna ireny.
Hatreto dia henika olom-boafidy eny anivon'ny fototra ny kongresin'ny TIM manomboka rahampitso, satria efa tafapaka eto avokoa ireo ben'ny tanàna. Ny antoko ve sa mbola ny fanjakana no hiantoka ny lany amin'izao fiatrehan'ny ben'ny tanàna ny kongresin'ny TIM izao ?




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesako ny namoizana ny vady malalako :
Hoy :
RAJAONAH Gilbert vadiny
Ny Reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Margueritte
Ny Zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONAH Biquet Gaetan sy Lova
Ny Zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé
Ny Iray tampo aminy :
Rasolofomasoandro Henri sy Gun ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Rambelo Regls sy Liliane ary ny zanaka aman-jafiny
Randrianisa Irène sy ny zanaka aman-jafiny
Rafamantanantsoa Marcel sy Jocelyne ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Blaise
Rasolofomasoandro Christian sy Mamy sy ny zanany
Fonteneau René sy Gisèle ary ny zanany
Rasolofomasoandro Jaona sy Voahangy ary ny zanany
Rasolofomasoandro Daniel sy Lucienne ary ny zanany
Rabeherisoa Ziza sy Faratiana ary ny zanany
Rasolofomasoamdro Haingonirina sy Vero ary ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Razanadrakoto Robert sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Rajaonah Roger sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Randrianoara Robert (Rajaonah Beby Ernestine) sy ny zanaka aman-jafiny
Raharison Antonin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajoelisolo sy Odette ary ny zanaka aman-jafiny
Andrianantoanina Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
Randriamanjahary Justin sy ny zanaka aman-jafiny
Raharinosy Benjamin sy Jacqueline ary ny zanaka aman-jafiny
Rajaonah Roland mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Andavamamba
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Grandchamp Paris 17ème
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mifakantia FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA
Ny Nofony dia ho tonga aty an-tanin-drazana eny Ivato amin'ny Alakamisy 22 may amin'ny 4 ora 50 mn . maraina. Dia hiala ao an-tranony Lot III K 31 Bis Andavamamba ny sabotsy 24 may amin'ny 2 ora , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazana ao Amboditsiry.
« Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ; Fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo ».
(Korintiana I : 13/13).




Sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny hava-malalanay :
Tamin'ny Alahady 18 mey 2008 rehefa nivahiny 77 taona teto an-tany
Hoy
Ny zanany :
VERONIAINA Irma sy RANDRIATSIZAFY Samuel
KALOVAIAVY RANORO Harilandy
KALOVAIAVY Razafindraketaka Miray
KALOVAIAVY Razanamandimby Elga Suzy
ZOVASOA Rahima Alice
TSARAHASINA Alain
ZAMIRA Roland
Ny iray tampo aminy :
MALAZAMANANA Jean Roger
TSILANIZARA
Ny zafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny fikambanana SOJABE SOFIA
Ny fikambanana SOFIA MIRAY
Ny Akademia Malagasy
Ny « Médiature de la République »
Ny « Ministère des Finances et du Budget »
Ny Fokontany Ampefiloha Cité sy Ambatolahy Befandriana Avaratra
Ny Fiangonana FJKM Isotry Fitiavana.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony logt 224 Cité Ampefiloha ny Talata 20 mey 2008 amin'ny 02 ora tolakandro , ho entina any amin'ny fasan-drazana any Antsakoamivanditra Befandriana Avaratra.
« Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy ».
(Salamo 23, and 1-2)




Antsasaky ny fahefany
Potikena antsasaky ny fahefany, laisoa voatetika antsasaky ny fahefany, voatabia toko iray ary tongolo toko iray, na tongolo sy voatabia dimampolo ariary, menaka iray sotro. Antsasaky ny fahefany indray izao ny fatra mahazatra eny an-tsenakely, eny amin'ny mpivaro-kena, na kisoa na omby, eny na dia eny amin'ireny mpivarotra « poulet de chair » efa voatetika ireny aza. Ireo no zakan'ny vola efatra arivo ariary. Ny arivo ariary ambiny tsy maha dimy arivo azy dia saran-dàlana sy pitsopitsony.
Dimy arivo ariary isan'andro ho an'olona enina an-trano. Mahatsiaro tena ho mihafy dia mihafy izy ireo satria tany amin'ny dimy taona tany aloha dia betsaka lavitra noho ireo ny fatra sy ny karazan-tsakafo azon'ny volany.
Na dia teo aza ny fisondrotan'ny karaman'ny mpiasam-panjakana saiky isan-taona tato ho ato dia antsasaky ny fahefany sisa no fatra mahazatra eny an-tsenakely. Miasa daholo na ny lahy na ny vavy ary mianatra daholo ny ankizy. Nefa dia ireo no fatran-tsakafo haniny isan'andro. Ny andro tsy fiasana moa dia fanatanjahantsaina manokana ny fiantsenana.
Ho avy izao ny fetin'ny Reny ary dia « akrôbasia » hafa no miandry ny tokantrano zatra niaina izany tany aloha tany nefa noho ny fahefa-mividy ankehitriny dia miparitaka tanteraka ny fomba fiaina. Ny sisa maha izy azy ireo tokantrano ireo dia izy tsy mandry fotsy ary manana trano hialofana, na dia tsy tompony aza.
Tsy mba toa izany ny an'ireo mpikarama any ambanivohitra na ireo mponina eny ambany tanàna, araka ny fiteny, fa efa niova ho « kapoaka Madco » ny famarana ny vary ary sotrokely ny famarana ny menaka. Tsy entina intsony amin'ny tavoahangy ny menaka fa lanin'ny vodi-tavoahangy fa aleon'izy ireo arotsaka anaty « sase » plastika mba azo fihazina.




Henjana ny sazy, anatra ho an'ny hafa ?
Hampiakatra fitsarana ambony ny mpiaro ny jeneraly Fidy, sy ingahy Pety Rakotoniaina, ary ireo manamboninahitra voarohirohy niaraka tamin'izy ireo. Sazy tsy misy latsaky ny folo taona avokoa no nomen'ny fitsarana azy ireo. Tsy dia asiana resaka be firy intsony angamba ny momba ilay fikasana hanogam-panjakana saika hatao ny 17 novambra 2006 teo.
Tao ho ao dia nandeha ny feo momba ireo manamboninahitra nalaina am-bavany teny Fiadanana izay mahakasika fanonganam-panjakana ihany. Tsy mbola fantatra mazava ny tohin'ireny raharaha ireny, fa ny azo adika aloha hatreto, dia henjana ny sazy ary hanatra natao ho an'ny hafa ve ireny didy ireny ? Na ho inona tokoa fanazavana entin'ireo mpiaro ny voampanga dia famaizana henjana hatrany no mianjady amin'izany fikasana hanongam-panjakana izany. Samy hafa tokoa ny fikasan'ny tafika hanao izany, sy ny fidinana an-dàlambe toy ny etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Any amin'ny fitsarana ambony indray izany no hitodian'ny mason'ny rehetra. Mbola hisy fanantenana ve ?




Sheritt Ambatovy
Filipiana 5 000 hiasa eto
Ho avy eto Madagasikara ireo mpiasa tsy an'asa mahatratra 5 000 avy any Filipina. Asa momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany no ataony eto. Torakovitra ny mponina any Ambatovy sy ny manodidina. Voalohany dia ho maro ny mpiasa Malagasy no ho very asa tsy fidiny manoloana ny fidiran'ny vahiny be loatra any amin'io toerana io. Eo ihany koa ny mety hanjakazakan'ireto vahiny ireto amin'ny teratany Malagasy, ary farany dia ny mety hiparitahan'ny valan'aretina toy ny SIDA amin'ireo mponina eto amintsika. Hiarahan'ny rehetra mahalala ny zava-misy any Tolagnaro amin'izao fotoana izao, fa saika voaviravira tanteraka ny zaza Malagasy eo amin'ny firaisana ara-nofo. Tsy maharitra ny mena miraviravy ny tanora eto amintsika.
Ry zareo eo anivon'ny FISEMARE, dia manao antso avo amin'ny mpitondra malagasy ny hijerena haingana izao raharaha izao, satria ny mpiasa Malagasy mihitsy no ho very manoloana ny fidirana mpiasa vahiny tahaka izao. Raha isika no nitady asa tany ivelany teo aloha, dia ny vahiny indray izany no mihazakazaka eto. Sa mora hitadiavam-bola eto Madagasikara ?




Mahantra be famindram-po
Nanampy an'ny China ara-bola i Madagasikara
Voikava-mahatratra tokoa, ary mariky ny fifankatiavan'ny China sy i Madagasikara no nanampiana ity firenena iray ity. Vokatry ny horohoron-tany niseho andro vitsy tany amin'io firenena isan'ny matanjaka io ka namoizana ain'olona maro, dia nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa dolara i Madagasikara. Ny ministry ny raharaham-bahiny Malagasy, Ranjeva Marcel, no nanolotra izany ny masoivoho Sinoa miasa sy monina eto amintsika. Firenena azo hambara fa mifanampy ny roa tonta ka izay no tsy hifanadinoana tahaka izao.
Mahantra be famindram-po isika, satria na dia hambara ho firenena andalam-pandrosoana aza i Madagasikara, dia tsy manadino ny firenena matanjaka raha tratrin'ny voina toy izao.




Fandravana ny federasiona
Haverina ministra ve Ramiaramanana ?
Niravona ny olan'ny federasiona sy ny FIFA. Ho raikitra indray ny baolina, ary faly ny Malagasy. Tsy asiana resabe intsony momba ny didy famerenana ny federasiona amin'ny andraikiny, izay io raharaha io ihany koa no antony nampiatoana ny ministra tamin'ny asany.
Niravona io ny olana, ary afaka manao ny asany antsakany sy andavany ny federasiona. Efa hita ihany koa ny famondronana ny mpilalao hiatrika ny lalao iraisam-pirenena afaka folo andro. Ny baolina kitra iny no nivaha ny olana fa ny sehatry ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly mba manao ahoana ? Io no maha-firenena ny firenena, nefa toa mbola mpitondra vonjimaika indray no napetraka eo. Haverina amin'ny toerany amin'izay ve ny ministra Ramiaramanana sa ahoana ? Ny fantatra mantsy dia ny fiandrasana io fifampiraharahana tamin'ny FIFA io no antony nampiatoana ity ministera ity tamin'ny asany. Mino isika fa tsy andraikitry ny ministra samy irery ireny fanampahan-kevitra ireny, fa ny fanjakana manontolo. Ny filoham-pirenena no tompon'ny teny farany ka andrasana izay mety ho famerenana ny ministra Ramiaramanana amin'ny toerany. Na fanendrena ministra vaovao satria tsy lany olomanga i Gasikara.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesako ny namoizana ny vady malalako :
Hoy :
RAJAONAH Gilbert vadiny
Ny Reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Margueritte
Ny Zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONAH Biquet Gaetan sy Lova
Ny Zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé
Ny Iray tampo aminy :
Rasolofomasoandro Henri sy Gun ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Rambelo Regls sy Liliane ary ny zanaka aman-jafiny
Randrianisa Irène sy ny zanaka aman-jafiny
Rafamantanantsoa Marcel sy Jocelyne ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Blaise
Rasolofomasoandro Christian sy Mamy sy ny zanany
Fonteneau René sy Gisèle ary ny zanany
Rasolofomasoandro Jaona sy Voahangy ary ny zanany
Rasolofomasoandro Daniel sy Lucienne ary ny zanany
Rabeherisoa Ziza sy Faratiana ary ny zanany
Rasolofomasoamdro Haingonirina sy Vero ary ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Razanadrakoto Robert sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Rajaonah Roger sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Randrianoara Robert (Rajaonah Beby Ernestine) sy ny zanaka aman-jafiny
Raharison Antonin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajoelisolo sy Odette ary ny zanaka aman-jafiny
Andrianantoanina Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
Randriamanjahary Justin sy ny zanaka aman-jafiny
Raharinosy Benjamin sy Jacqueline ary ny zanaka aman-jafiny
Rajaonah Roland mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Andavamamba
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Grandchamp Paris 17ème
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mifakantia FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA
Ny Nofony dia ho tonga aty an-tanin-drazana eny Ivato amin'ny Alakamisy 22 may amin'ny 4 ora 50 mn . maraina. Dia hiala ao an-tranony Lot III K 31 Bis Andavamamba ny sabotsy 24 may amin'ny 2 ora , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazana ao Amboditsiry.
« Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ; Fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo ».
(Korintiana I : 13/13).




Omeo ny baiko
Ho tonga ny vola eny anivon'ny kaominina ny herinandro io. Samy hanana ny paika adiny avokoa ny ben'ny tanàna rehetra amin'ny asa mivaingana ilain'ny mponina eo an-tanàna. Ny fahaizana mandresy lahatra ny mponina sisa andrasana, satria mbola asa goavana io. Fandrosoana inona no ho hita raha tsy eo amin'ny vahoaka ny risim-po hiaraha-hampandroso ny faritra.
Fa isan'ny maha-taraiky ny faritra iray, indrindra ny any ambanivohitra ny tsy fisian'ny Jiro hanazava ny tanàna. Asa maro no vita amin'ny alàlan'ny herinaratra. Firy anefa ny kaominina mbola tsy ahitana io Jiro raha vao miala kilaometatra vitsy miala ny renivohitra. Raha vao miteny ny filoha Ravalomanana, dia saika tafapetraka avokoa ny fotodrafitr'asa isan-karazany. Omeo ny baiko Prezida mba ahafahan'ny vahoaka any ambanivolo mahazo hazavàna. Tafiditra ao anatin'ny teny ifanomezana ao amin'ny MAP ny angovo ampy ho an'ny mponina. Mby aiza ny fanatanterahana izany ankehitriny ? Tsapa fa maro ireo kaominina efa nangataka ny hampidirana Jiro, nefa tsy mbola nivaly ny fangatahana hatramin'izao. Ny eto an-drenivohitra aza mampiditra Jiro ao antokan-trano dia efa lafobe ny saran'izany. Izany ve no tany mandroso ?




Filatsahan'ny Fanahy Masina
Manazava ny Pasitera « Jesosy Mamonjy » iray
Nisarika ny sain'ny olona maro tato ho ato ny mikasika ilay zaza niteny tamin'ny fiteny anglisy tany Faratsiho rehefa avy nahazo ny Fanahy Masina ka nanatona Pasitera avy amin'ny fiangonana niaviany izahay mba ahazo fanampim-panazavana.
28 taona nitondràna fiangonana teo anivon'ny Jesosy Mamonjy ny Pasitera Rakotohasinoro Honoré, izy no filoha lefitry ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an'i Madagasikara, amin'izao fotoana izao izy mitandrina eto Antsirabe, ary efa nitety fiangonana maro manerana ny nosy. Nambarany fa efa maro ny tranga tahaka ity tranga niseho tany Faratsiho ity teo anivon'ny fiangonana ihadidiany.
Ny fiangonana « Jesosy Mamonjy » dia anisan'ireo fiangonana isehoan'ny fiasan'ny Fanahy Masina amin'ny fitenenan'ny mpino amin'ny teny tsy fantatra ka raha eo anivon'ny fiangonana dia tsy dia mahagaga loatra ny tranga toy izany.
Ny fisehoany ?
« Amin'ny fotoana iasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olona iray dia mizara roa ity resaka miteny tsy fantatra ity : ny iray dia miteny amin'ny teny fampiasa eto ambonin'ny tany ilay olona. Ohatra : Anglisy , Espaniola, Hebreo... ; fa mety ihany koa miteny ny fitenin'ny lanitra izany hoe fomba fiteny ifandraisan'Andriamanitra amin'ilay olona misy ny fanahy Masina.
Ny fisehony kosa indray dia misy karazany telo ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra : « Mety ho ny fanahy mamitaka no mampiteny azy, mety koa noho ny sitrapony manokana ; mety koa anefa ho ny herin'ny fanahy Masina tokoa no mampiteny azy.
Fantatra anefa izay manosika ny olona iray hiteny tsy fantatra rehefa hamarinina izay hambarany ka olona mahay ilay fiteny no mandika azy. Raha tany ka fanahy mamitaka no ao amin'ilay olona dia tsy feno loatra ny hafatra tiany ambara, eo ihany koa ny fitarafana azy eo amin'ny fiainana andavan'andro hoe olona manana ny Tompo ve sa olona manao ahoana. Raha ny tenany manokana no mampiteny azy izany hoe sitrapony ny miteniteny eo dia tsy feno koa ny hafatra fa mety ho mamerina izay vokabolary fantany eo izy, izany hoe fiteny sahaza ny farim-pahalalàny no avoakany. Ny sokajy farany dia ny Fanahy Masina tonga ao aminy no mampiteny azy dia re fa mampita hafatra tsara sy vaovao mahafaly ilay hafatra ary hita ho tsy takatry ny sainy na koa ny fahaizany ny teny avoakany ary marina ara-fitsipipitenenana. Eo izany aloha dia mila olona avy amin'ny firenena tompon'ilay fiteny no manamarina ilay resaka avoakan'ny olona iray ».
Raha miteny amin'ny teny tsy fantatra ny olona iray, afaka manasitrana ve ? « Rehefa manana ny Fanahy Masina ny olona iray dia Andriamanitra no miasa ao aminy, izany hoe fitaovana hampiasain'Andriamanitra hampitana hafatra izy na koa hoentin'Andriamanitra hanehoana indrindra ny Voninahiny. Misy 9 karazany ireo fanomezam-pahasoavana ary samy mitsinjara ho antoko telo izy ireo ka arakarak'izay tian'Andriamanitra hanehoany azy no hisehoany. Ny antoko voalohany dia misy ireto fanomezam-pahasoavana ireto : Ny Miteny amin'ny teny tsy fantatra, ny Mandika amin'ny teny tsy fantatra ary mamantatra avy hatrany ny fanahy mampiteny azy. Ireo matetika dia miseho ao anatin'ny fotoam-pivavahana. Ny antoko faharoa indray dia toy izany ihany misy telo karazana : Ny Finoana, ny Fahagagana ary ny Fanasitranana. Ny antoko fahatelo sady farany dia ny : Fahalalàna, ny Faminaniana ary ny Fahendrena. Tsy voatery hanao ny iray amin'ireo anefa izay olona hisian'ny fiasan'ny Fanahy Masina fa mety ho mampita hafatra fotsiny ihany izy ».
Hafiriana ny faharetan'ny fiasan'ny Fanahy Masina eo amin'ny olona iray ?
« Tsy voafetra fa mandra-pahatanteraky ny iraka ampanaovin'Andriamanitra azy eo amin'ny olona iray izay hitoerany ». Arak'izany samy mametra-panontaniana isika tsirairay avy ny mahakasika an'ilay zazavavy 11 taona kilasy faha-6 lasa niteny anglisy hatramin'ny hoe alahadin'ny pantekôty teo karazana fanahy toy inona no tonga tao aminy : fanahy mpamitaka ve sa noho ny sitrapony manokana sa ny Fanahy Masina tokoa ? Marihina fa eo am-panombohana izy eo amin'ny fianarana ny fiteny anglisy.
Fanadihadihana ity ka fanadihadiana hitaterana ny zava-misy sy mitranga eny anivon'ireny antokom-pivavahana mieli-patrana eny amin'ny fiaraha-monina misy antsika ireny fa tsy hoe tsy akory ka misintona na misarika ny mpamaky hitodi-doha hanaraka ny finoana zatsy na zaroa.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesako ny namoizana ny vady malalako :
Hoy :
RAJAONAH Gilbert vadiny
Ny Reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Margueritte
Ny Zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONAH Biquet Gaetan sy Lova
Ny Zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé
Ny Iray tampo aminy :
Rasolofomasoandro Henri sy Gun ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Rambelo Regls sy Liliane ary ny zanaka aman-jafiny
Randrianisa Irène sy ny zanaka aman-jafiny
Rafamantanantsoa Marcel sy Jocelyne ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Blaise
Rasolofomasoandro Christian sy Mamy sy ny zanany
Fonteneau René sy Gisèle ary ny zanany
Rasolofomasoandro Jaona sy Voahangy ary ny zanany
Rasolofomasoandro Daniel sy Lucienne ary ny zanany
Rabeherisoa Ziza sy Faratiana ary ny zanany
Rasolofomasoamdro Haingonirina sy Vero ary ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Razanadrakoto Robert sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Rajaonah Roger sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Randrianoara Robert (Rajaonah Beby Ernestine) sy ny zanaka aman-jafiny
Raharison Antonin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajoelisolo sy Odette ary ny zanaka aman-jafiny
Andrianantoanina Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
Randriamanjahary Justin sy ny zanaka aman-jafiny
Raharinosy Benjamin sy Jacqueline ary ny zanaka aman-jafiny
Rajaonah Roland mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Andavamamba
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Grandchamp Paris 17ème
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mifakantia FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA
Ny Nofony dia ho tonga aty an-tanin-drazana eny Ivato amin'ny Alakamisy 22 may amin'ny 4 ora 50 mn . maraina. Dia hiala ao an-tranony Lot III K 31 Bis Andavamamba ny sabotsy 24 may amin'ny 2 ora , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazana ao Amboditsiry.
« Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ; Fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo ».
(Korintiana I : 13/13).




Valalan'Amboa
Mitobaka ny entana vita vahiny, ahiana ho faty ny orinasa Malagasy. Mora sady mahafa-po ny maro ireny entana vita avy any ivelany ireny, isan'izany ny Fripérie, ny savony, ny kojakojan-tokantrano samy hafa. Ny kiraro sy haingo isan-karazany, dia saika mitsongoloka avokoa na ny manana na ny sahirana. Toa vitsy sisa raha ny eto an-tanan-dehibe no ahitana ireny mivoro-kitsay ireny, satria tsy te-hivoatra angaha. Miainga amin'ny Ar 200 dia efa mahazo somizo tsara, ary Ar 5000 dia mikiraro tsy simba ao anatin'ny iray taona. Faly ny gasy, satria mahazo izay takatry ny volany izy. Ankilany anefa dia hita fa mitsipozipozy tanteraka ny orinasa Malagasy mpanao lamba na kiraro na ihany koa ireo entana ilain'ny mponina andavan'andro toy ny savony, sy fitaovana fanadiovana nify ohatra. Lafo ny entana vita gasy raha mitaha amin'ny vita avy any ivelany. Manomboka mikatona ireo tsy maharaka ny fifaninanana. Mpiasa maro no very asa, ary tsy ho gaga isika raha maro no roboka amin'ny fivarotana kely eny amoron-dàlana.
Ny fitondrana dia efa nilaza fa mila mihetsika isika satria tafiditra ao anatin'ny sehatry ny fifaninana. Ho hitan'ny havany eo izay tsy tafavoaka hoy ny filoha Ravalomanana izay raha nitokana ny foara FIM tetsy Andranomena izy. Inona no fepetra hiarovana ny mpandraharaha Malagasy ? Ny vahiny anefa dia hita fa roboka tanteraka amin'ireny zava-bita Malagasy ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ny taozavatra toy ny sary sikotra. Aoka tsy ho atao valalan'amboa ka isika tompony indray no tsy tia. Sahia mijoro ho saropiaro amin'ny any tena e.




Ady amin'ny fahantrana
Tsy ny sakafo ihany no mahavelona
Mitobaka etsy sy eroa ny vola avy amin'ny filoha Ravalomanana entina hiadiana amin'ny fahantrana. Porofo iray, fa eo ny finiavana hanao zavatra eto amin'ny firenena fa anjaran'ireo nomena andraikitra sisa no manatanteraka ny asa eny anivon'ny vahoaka.
Voaresaka matetika ny sakafo sy ny fitaterana, izay nidiran'ny filoha manokana ny aro riaka entina hiatrehana ny mety ho fidangan'ny vidim-piainana. Zava-dehibe izany, ary tsy hidirana lalina aloha anio izay orinasa sy koperativa mety ahazo tombony manokana amin'izany, fa ny hadino dia ny tontolon'ny fahasalamana sy ny fampianarana.
Ny fampianarana efa eo ny fizarana fitaovana ho an'ny mpianatra madinika, fa ny ain-dehiben'ny fiainana no toa tsy voaresaka firy. Inona no fepetra manokana raisin'ny fanjakana manoloana ny sehatry ny fahasalamana ? Tsy misy olona izay tsy mitaraina manolona ny fitsaboana eto amintsika. Raisina ohatra amin'io ny eny amin'ny Hopitalim-bahoaka. Ny fanafody izay midangana, ary tsy maintsy vidiana io. Ny olona sahirana tsy mba afaka mividy itony fanafody itony, dia alefa mody avy hatrany. Tsy mitoetra intsony ilay fiteny mamy manao hoe izay marary andrianina. Miainga any amin'ny toetran'ny mpitsabo, dia hita fa tsy mahatamana ny marary ny fihetsiky ny sasany. Voatombana ambony ambany ny marary, ka raha vao olona manan-katao, dia voatambitamby. Nahoana no tsy mba asiana aro riaka ihany koa ny eny amin'itony toeram-pitsaboana itony ? Ho gaga ve isika raha maro ny manao dokotera tena, satria tsy mahatakatra ny vidin'ny fanafody ka ny tapa-kazo sisa no hany fanantenana ahavelona ny tena. Mino isika fa ho tafa-paka any amin'ireo tompon'andraikitra voalohany misahana ny fahasalamana izao, ary hidina ifotony ahita ny tena marina izy ireny.




Ady amin'ny zava-mahadomelina
Ho any Kenya ny MadaYn
Mihanaka ny fidorohana zavamahadomelina eny anivon'ny toeram-pianarana samihafa eto amintsika amin'izao fotoana izao. Misy ihany koa anefa ny ezaka atao, mifanindran-dàlana amin'izany, hiadiana amin'ny firobohan'ny tanora amin'io fahazaran-dratsy io ary lohalaharana ny Madayn (Madagascar Youth Network), tambazotra ivondronan'ny tanora miady amin'ny fidorohana zavamahadomelina any an-tsekoly eto Madagasikara, miasa eo ambany fiahian'ny fiadidiana ny Primatiora, izay efa niasa tamina faritra maro nanerana ny nosy hatramin'ny niforonany tamin'ny taona 2005.
Hihetsika i Afrika
Aretina ikambanan'izao tontolo izao ny fahalatsahan'ny tanora ao anaty fidorohana zava-mahadomelina. Mandray anjara amin'ny ady ihany koa ny aty Afrika ka hanao fivoriambe ao Kenya ny 27 hatramin'ny 30 may izao ireo firenena 8 mpikambana amin'ny tambazotra aty Afrika atsinanana, East African Regional Youth Network, misy antsika ka i Haja Ramamonjisoa, mpandrindra nasionalin'ny Madayn no hisolo tena an'i Madagasikara any. Hiompana manontolo amin'ny tomban'ezaky ny asa vitan'ny fikambanana isam-pirenena sy ny fametrahana vinavinan'asa ny fihaonambe, araky ny fandaharam-potoana nivoaka.
Efa manana paikady
Manana tondrozotra novolavolain'ny vaomiera iraisan'ny ministera amin'ny ady amin'ny zavamahadomelina araky ny didy décret 98-722 navoaky ny Praiministra tamin'ny 9 septambra 1998, handrindrana ny ady atao amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava mifanaraka aminy ny firenentsika, araky ny fanazavan'i Haja Ramamonjisoa ihany. Mifanaraka amin'ny drafitra iraisam-pirenena ho fisorohana ny fidorohana zavamahadomelina any an-tsekoly io, araky ny fanazavany ihany, ary ao no anovozan'ny MadaYn ny fonjan-kevitra entiny miainga amin'ny fanentanana ataony mitety sekoly isaky ny faritra izay ezahina hametrahana masoivoho ihany koa hifaneraseran'ny tanora, hanamorana ny fifandreseny lahatra amin'ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina.
Sampana ao anatin'ny fikambanana Ny Sahy ny Madayn izay mpikambana ao amin'ny « Global Youth Network » eo ambany fiahian'ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny ady amin'ny zavamahadomelina sy ny heloka bevava ihany koa, na ny Unodc (United Nations Office of Drugs and Crime).




Mpitsabo nentim-paharazana
Mbola tsy lefy laza
Miantso vonjy amin'izao fotoana izao ny mpitsabo nentim-paharazana matianina nohon'ny fanapotehana iniana atao amin'ny asan'izy ireo.
Fahaizana madio tsy misy atahorana tahaky ny fahaizana ara-tsiansa rehetra ity karazam-pitsaboana ity, araky ny fanazavan'ireo mpiangaly azy. Tafiditry ny tetika ara-panjanahan-tsaina novolena tamin'ny malagasy anefa ny sehatra, araky ny fanazavan-dRamamonjisoa Maurice, mpitsabo ao amin'ny Toby Lovasoa ao Ankadilalampotsy-Ankaraobato, eny Antananarivo-Atsimondrano ka voaloto ary tsinontsinoavina ankehitriny. « Rahonana ho mpanompo sampy avokoa izay rehetra manatona mpitsabo nentim-paharazana, hoy izy, nefa mpitsabo mitovy amin'ireo mpitsabo maoderina ihany ireto sokajy ireto saingy tsaratsara kokoa ny azy satria mampiasa fanafody tsy voahodina fa voajanahary ka tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy ».
Manaratsy endrika ny mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika koa ny afitsoky ny mpisoloky isan-karazany, mahafay ny mpanjifa ary mitarika ny tsy fanatonany ireto karazam-pitsaboana ireto.
Ara-dalàna
Torohevitra omen'ireo mpitsabo nentim-paharazana matianina ny mpanjifa ary izao ny fitakiana ny karatra maha-mpikambana ao anatin'ny Association Nationale des Tradipraticiens de Madagascar an'izay mpitsabo vonjeny, hialàna amin'ny fitaka.
Ara-dalàna eo anatrehan'ny fanjakana rahateo ny mpitsabo nentim-paharazana matianina, araky ny fanazavan'ny mpitantana ny Toby Lovasoa ihany. Mandoa hetra arak'asa ary manana kara-panondroana izy ireo sady miara-miasa amin'ny mpitsabo amin'ny tobim-pahasalamana amin'ny toerana misy azy ihany koa. Alefany any amin'ny tobim-pahasalamana ny marary hitany fa tsy mifanaraka amin'ny fitsaboana misy ao aminy noho io fiaraha-miasa io, hoy izy.
Notsorin-dRandriamamonjisoa Maurice fa mety ho loharanom-pandrosoana ho an'ny firenena ny fanomezan-danja ity fitsaboana tena malagasy ity : sady tsy andaniam-bola firy no mitarika amin'ny fitandroana tontolo iainana ary ahafahana misarika vahiny hitsabo tena aty amintsika.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesako ny namoizana ny vady malalako :
Hoy :
RAJAONAH Gilbert vadiny
Ny Reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Margueritte
Ny Zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONAH Biquet Gaetan sy Lova
Ny Zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé
Ny Iray tampo aminy :
Rasolofomasoandro Henri sy Gun ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Rambelo Regls sy Liliane ary ny zanaka aman-jafiny
Randrianisa Irène sy ny zanaka aman-jafiny
Rafamantanantsoa Marcel sy Jocelyne ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Blaise
Rasolofomasoandro Christian sy Mamy sy ny zanany
Fonteneau René sy Gisèle ary ny zanany
Rasolofomasoandro Jaona sy Voahangy ary ny zanany
Rasolofomasoandro Daniel sy Lucienne ary ny zanany
Rabeherisoa Ziza sy Faratiana ary ny zanany
Rasolofomasoamdro Haingonirina sy Vero ary ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Razanadrakoto Robert sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Rajaonah Roger sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Randrianoara Robert (Rajaonah Beby Ernestine) sy ny zanaka aman-jafiny
Raharison Antonin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajoelisolo sy Odette ary ny zanaka aman-jafiny
Andrianantoanina Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
Randriamanjahary Justin sy ny zanaka aman-jafiny
Raharinosy Benjamin sy Jacqueline ary ny zanaka aman-jafiny
Rajaonah Roland mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Andavamamba
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Grandchamp Paris 17ème
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mifakantia FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA
Ny Nofony dia ho tonga aty an-tanin-drazana eny Ivato amin'ny Alakamisy 22 may amin'ny 4 ora 50 mn . maraina. Dia hiala ao an-tranony Lot III K 31 Bis Andavamamba ny sabotsy 24 may amin'ny 2 ora , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazana ao Amboditsiry.
« Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ; Fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo ».
(Korintiana I : 13/13).




Teny an-dàlana teny
Ambodivona : nitaraina ireo mpitari-posy sy sarety
Nanaitra ny mpandalo omaly maraina ny nahita ireo mpitandron'ny filaminana nanao bemidina teny amin'ny manodidina ny tobim-piatsonan'ny zotra nasionaly, teny Ambodivona. Nosakanany avokoa ireo posiposy sy sarety sendra azy ireo. Noraràny tsy andeha, ary hiandry ny amin'ny 6 ora hariva vao hanohy ny diany. Niteraka resabe izany teo-javatra izany, ka izao hoentina amintsika manaraka izao ny sombintsombiny amin'izany resaka izany.
&#176; Feno, iray amin'ireo olona mpitazatazana tojo anay teny an-toerana. Ho azy dia tsy rariny ny nataon'ny polisy.
* Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao hetsiky ny mpitandro ny filaminana izao ?
Feno : " Io izy io iarahantsika mahita io ko. Sakasakànana daholo ny madinika tsy avela hiasa. Tsy mahazo mihetsika eo hono raha tsy amin'ny 6 ora ariva."
* Dia ahoana ny fahitanao izany fisakanana izany ?
" Tena tsy mety. Io no mba fivelomany dia gafiana sahala amin'izao ve. Omeo ajavascript:barre_raccourci(' ',' ',document.formulaire.texte)sa ary ry zareo dia tsy hitarim-posy sy sarety intsony e. "
&#176; Andry, anisan'ireo mpitarika posy voarara tsy nahazo nivezivezy. Milaza izy fa tsy rariny ny mahazo azy sy ireo namany mpitari-posy sy sarety.
*
Andry : " Izao tsy avelan'ny olona hiasa izao fa inona indray eh. Io izao dia tsy fantatro izay ho lazaina amin'ny tompon'ireo entana ireo."
* Fa angaha ianareo tsy efa nolazaina fa tsy mahazo mivezivezy an-tanàn-dehibe ?
" Izay anie efa tsy mandalo any Analakely sy Anosy intsony eh. Sady nahoana no mamely tampoka toa izao."
&#176; Dédé, mpitari-posy efa voasakan'ny polisy ihany koa. Maneho ny tsy fahafaliany ihany koa izy.
* Madagascar Tribune : Ianao koa ve tsy faly tahaka ny namanao ?
Dédé : " Fa tadiavinareo hivanitika indray ary ve ity izaho. Jereo ity fijaliana mianjady amiko. Io no mba fivelomako dia atao sahala amin'izao."
* Ka ianareo anie efa nolazaina tsy hivezivezy an-tanàn-dehibe eh !
" Lazaiko anao, fa izay anie manampy olona maro eh ! Sady mora ny saram-pitateranay, no loloavinay aterinay hatrany am-baravarany ny entan'ireo olona miantso anay. Nolazaina izahay fa hoe amin'ny alina no tokony hivezivezy, ny mpamosavy sy ny totakely ranga'ty no mivezivezy amin'ny alina ! "
&#176; André, anisan'ireo olona mpitazana nankasitraka ny asan'ireo mpitandro ny filaminana.
* Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao he tsiky ny mpitandron'ny filaminana izao ?
André : " Amiko aloha dia mety izao ataon'ny mpitandron'ny filaminana izao eh. Ireo posy sy sarety ireo anie no tena miteraka fitohanan'ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra eto eh. Hiarahantsika mahita fa kely fandeha izy ireo. Izany dia miteraka fitohanan'ny fifamoivoizana. Ary efa henontsika ireny tenin'ny minisitra omaly ireny amin'ny fandraisana fepetra momba ny fitaterana."
* Mino ve ianao fa aharitra izao hetsika izao ?
" Eto Madagasikara anie hatairana fosiny no be tsaka. Toy ny resaka " Casque moto " sy " vitre fumée " ihany io. Izao aloha angamba nahita ireny fitohanana teny Anosibe ireny ny manampahefana dia somary mandray fepetra kely. Dia avy eo hitantsika eo ny tohiny."
Nangonin'i MANJAKAHERY Tsiresena




Miara-mientana
Fahendrena sy fihavanana. Io no vokatry ny herimpon'ny artista malagasy, nahay nampangina ny endrika politika amin'ny fandraisana ny tarika Rossy. Maro mantsy no mety ho nalaim-panahy ka maniry loza, amin'ny hifikiran'ny resaka politika hiarahana amin'ny tarika Rossy. Olon-dehibe nifanaiky ny tenany sy ny filoha Ravalomanana, ary ny mpikarakara. Toa mety tokoa hatramin'izao. NY artista malagasy moa dia nametraka ny lanjan'ny maha kanto an'ireo fampisehoana nataon'ity tarika ity. Tsy azo odian-tsy hita rahateo ny famirapiratr'i Madagasikara entiny manerana izao tontolo izao. Arak'izany dia azo antoka fa ho mafimafy noho ny fampisehoana nisy hatramin'izay ny fitandroana ny filaminana anio eny Antsonjombe.
Marina fa fampitàna hafatra ny tononkira entin'itony mpanakanto itony ka tsy tokony hahataitra ny fiverenan'ireo tononkira somary manana endrika politika, ireny rahateo no anisan'ny ankafizin'ny maro azy. Na izany aza, dia anjaran'ny mpijery no manamafy izay fandriampahalemana izay ka tsy hinia hanangana korontana, ary tsy tokony hitondra zava-maranitra, eny fa na tavoahangy aza.




Fanodikodinana olona
7 taona tsy hitan-dreniny
Nandritra ny 7 taona no tsy navela hifanatri-tava amin'ny zanany ny renim-pianakaviana iray avy any amin'ny faritra Vakinankaratra iny.
Tamin'ny taona 2001 no nalain'ny ramatoa iray ny zazavavy 12 taona, zanaky ny zaobaviny, ka nasainy niasa taman'olona. Ar 10 000 isam-bolana no karama tamin'izany. Tsy raisin'ilay zazavavy miasa anefa ny vola fa alefa any amin'ny ray aman-dreniny. Nangataka ny hahita tava ny zanany ilay ramatoa saingy rehefa manatitra ilay karama Ar 10 000 ilay ramatoa nanera an'ilay zaza dia ambarany fa tsy azo jerena izy fa mpiasa ambony ao amin'ny fitsarana ny olona mampiasa azy. 7 taona anefa izay no lasa, mbola tsy nahita an-janany ity ramatoa ity.
Mampihorohoro
Amin'ny ankapobeny dia matahotra ny fandrahonana ny renin'ilay zazavavy ka niharitra hatramin'izao. Tsy zakany anefa ny alahelony ka notantarainy amin'ny mpiara-monina. « Tsy fantatra na maty na velona ny zanako ! » hoy ity ramatoa ity. Nambarany moa fa vadin'ny anadahiny no naka ilay zaza tao aminy, ary toa hoe miasa ao amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena ao Anosy ao. Tsy sahy mandray andraikitra manoloana ny fandrahonana koa ny mponina ka hany herin'izy ireo dia nanoro hevitra amin'ny tokony hanatonany ny mpitandro filaminana.
Fanodikodinana olona
Azo adika ho fanodikodinana olona ity seho ity, izay dradradradraina fatratra amin'izao fotoana izao. Ataon'ny sasany biby fampitahorana ny mpiasan'ny fitsarana. Raha ny marina anefa dia sarotra amin'ny mpitsara mpampihatra lalàna ny hampiasa zaza tsy ampy taona izany. Efa 19 taona moa izany izao ity zazavavy tsy hita ity. Azo antoka fa mba te hifanatri-tava amin'ny fianakaviany koa izy saingy toy ny gadra no azo ilazàna ny toerana misy azy amin'izao fotoana izao.
Amin'izao fetin'ny reny ho avy izao dia tsara ny manamarika fa mbola betsaka ny reny ianjadian'ny tsindrihazolena tahaka ity tantara ity. Na izany aza dia misy koa ny reny tsy vanona ka tsy mahalala ny fahorian'ny reny tahaka azy.
Miandry izay mba afaka hanampy azy ity renim-pianakaviana ity amin'izao fotoana izao ka mba ho fanomezana lehibe ho azy amin'ny fetin'ny reny ny fahitana ny salovan-tavan'ny zanany, efa nafoiny taona maro.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesako ny namoizana ny vady malalako :
Hoy :
RAJAONAH Gilbert vadiny
Ny Reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Margueritte
Ny Zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONAH Biquet Gaetan sy Lova
Ny Zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé
Ny Iray tampo aminy :
Rasolofomasoandro Henri sy Gun ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Claude sy ny zanaka aman-jafiny
Rambelo Regls sy Liliane ary ny zanaka aman-jafiny
Randrianisa Irène sy ny zanaka aman-jafiny
Rafamantanantsoa Marcel sy Jocelyne ary ny zanaka aman-jafiny
Rasolofomasoandro Blaise
Rasolofomasoandro Christian sy Mamy sy ny zanany
Fonteneau René sy Gisèle ary ny zanany
Rasolofomasoandro Jaona sy Voahangy ary ny zanany
Rasolofomasoandro Daniel sy Lucienne ary ny zanany
Rabeherisoa Ziza sy Faratiana ary ny zanany
Rasolofomasoamdro Haingonirina sy Vero ary ny zanany
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltompokolahy Razanadrakoto Robert sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Rajaonah Roger sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan' Itompokolahy Randrianoara Robert (Rajaonah Beby Ernestine) sy ny zanaka aman-jafiny
Raharison Antonin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajoelisolo sy Odette ary ny zanaka aman-jafiny
Andrianantoanina Maxime sy ny zanaka aman-jafiny
Randriamanjahary Justin sy ny zanaka aman-jafiny
Raharinosy Benjamin sy Jacqueline ary ny zanaka aman-jafiny
Rajaonah Roland mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Fokontany Andavamamba
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA Grandchamp Paris 17ème
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboditsiry
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mifakantia FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA
Ny Nofony dia ho tonga aty an-tanin-drazana eny Ivato amin'ny Alakamisy 22 may amin'ny 4 ora 50 mn . maraina. Dia hiala ao an-tranony Lot III K 31 Bis Andavamamba ny sabotsy 24 may amin'ny 2 ora , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazana ao Amboditsiry.
« Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ; Fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo ».
(Korintiana I : 13/13).




Mbola malemy
Ny andro nankalazaina ny fetin'ny reny omaly no hilazana fa mbola malemy ny vehivahy eto amintsika. Satria nahoana hoy ny mpitazana hafa ? Tsikaritra fa ny finiavana betsaka fa ny entina hanatanterahana izany no tsy ampy. Porofon'io, ny mbola hianteherana amin'ny lehilahy. Misy ny ben'ny tanàna vehivavy izay mihanaka any amin'ny kaominina sasany any, manao ahoana ny asa vitany any raha atao indray mijery ? Ny depiote sy ny olom-boatendry hafa ve mba nisy asa misongadina haingana tao ho ao ? Vehivavy olon-tsotra ny ministry ny fiarovam-pirenena, milamina ve io raha ny fijery aty ivelany ? Mety hisy hanome endrika hafa ny lahatsoratra, saingy ny fetin'ny reny omaly no nahatsapana fa mbola ho lavitra ny tanjona hitovy zo amin'ny lehilahy.
Omeo ny toerany kosa anefa ny vehivavy, satria zava-poana ny asa rehetra raha tsy eo ry zareo. Eto no hilazana fa mifanampy ny roa tonta, fa tsy ho sanatria misy te-hisongadina amin'ny andraikitra tsy zakan'ny tena. Ho ela velona neny a.




Olom-boafidy isam-paritra
Dedaka imason'ny filoha Ravalomanana
Miseho ho mahavita asa nefa mampitondra fahoriana ny vahoaka. Io no ambetitenin'ny vahoaka raha miditra ny kaominina sy ny faritra ivelan'ny renivohitra ianao. Aleonay tsy misy olom-boafidy na tendrena fa ny filoha mivantana no ilainay ho tonga aty, satria io no hitanay fa maha-vaha ny olana isam-paritra. Teny amin'iny faritra atsimondrano iny no nitalahoan'ny vahoaka izany ny faran'ny herinandro iny. Ambohijoky mipaka hatreny Tsiafajavona sy Ankeribe iny no nahitana izany. Làlana eo amin'ny 15 kilaometatra no atao ao anatin'ny adin'ny roa. Ny miainga etsy Anosizato mipaka hatreny Antanetikely no tsy vita firy taona izay. Aiza ny olom-boafidy eny Atsimondrano ? Sa hiandrasana ny filoha Ravalomanana hidina eny vao atao ? Maro ny vokatra eny, saingy tanàna lavitra andriana ity faritra ity.
Ao ny Rovan'Ambohijoky, ary mahasarika mpizahan-tany maro. Mby aiza anefa ny finiavana hampandroso ity faritra ity ? Aza atao litania fotsiny ny resaka MAP rehefa eo imason'ny mpitondra fa araho, satria ianareo olom-boafidy aza tsy mahasahy mitsidika ny faritra naha-voafidy anareo, ka finiavan'ny vahoaka hatraiza no handresy lahatra ny fahantrana ? Prezida Ravalomanana ô. Araho maso ireto olona omena tombontsoa be ireto mba tsy ho very maina ny volam-bahoaka hoy Razilenina nitomany tafaresaka taminay io zoma farany teo io. Sa dedaka imason'ny filoha tokoa ny ankamaroan'ny olom-boafidy sy ny voatendry e ? Sa miasa ihany fa tsy sahy miady hevitra ?




Finoana * Fiangonana Kibanguiste
Tsy 25 desambra ny krismasy !
Fotoam-bavaka lehibe ho an'ny mpanaraka ny antokom-pinoana Kibanguiste maneran-tany ny alahady 25 may omaly ho fankalazany ny krismasy ahatsiarovana ny vanim-potoana nahaterahan'i Jesosy Kristy, loharanon'ny finoana kristiana rehetra.
Faminanian'i Papa Kibangu
Nanamarika io fotoan-dehibe io tamina vavaka lehibe teny amin'ny foiben-toerany teny Andavamamba ny teto Antananarivo, nanazavan'ny Réverend Andrianalijaona Ndremanampy, solontena ara-panjakanan'ny Eglise de Jésus-Christ sur la Terre de Son Envoyé Simon Kibangu eto Madagasikara, fa ny 25 may no tena vanim-potoana nahaterahan'i Kristy tany Betlehema fa tsy ny 25 desambra araky ny fanaon'ny besinimaro tsy akory ! Fifanarahan'ny samy mpiangona tany amin'ny taonjato fahatelo fotsiny no nandraiketana io datin'ny 25 desambra io, hoy izy. Hitan'i Papa Simon Kibangu, mpamorona ity antokom-pivavahana ity tany Congo Kinsasha tamin'ny taona 1921 kosa, hoy izy, fa ny 25 may no tena izy ary nampitainy tamin'ny zanany lahy Kiangani, vao 7 taona tamin'izany, mialohan'ny handefasan'ny mpanjanatany Belza azy ho sesi-tany, fa tsy maintsy ambara ho ren'izao tontolo izao ny hafatra tamin'ny taona 2000.
Voambaran'i Papa Kiangani mpandimby azy teo amin'ny fitondrana ny fiangonana Kibanguiste tam-pahibemaso tao 'Nkamba tany Congo Kinsasha, firenena nipoiran'io antokom-pinoana io kosa io hafatra faminaniana io tamin'ny taona voatondro teo izay nanombohan'ny fankalazana ihany koa. Fito taona tamin'izao no efa nankalazana ny krismasy 25 may teto Madagasikara, tamin'ireo faritra rehetra efa misy ny fiangonana Kibanguiste.




Fampandrosoana
« Association Madagascar Terre de Liberté »
Hanitatra ny ambaindainy ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté, araky ny tapaky ny fivoriambe teto an-drenivohitra tamin'ny sabotsy teo.
Hanampy ny Map
Haparitaka any amin'ny faritra rehetra eto amin'ny nosy ny fikambanana, raha ny vinavinan'ny mpivory niainga avy tamin'ny tolo-kevitry ny mpikatroka zandriny tamin'io fotoana io. Voafaritra ao anatin'ny sata fototra rahateo ny fanatanterahana izany, araky ny fanambaran'ny filohan'ny Madagascar Terre de Liberté International, Ravonison Ambroise, ka tsy maintsy hafainganina ny fananganana sampana amin'ireo toerana ireo satria efa vonona amin'izany ihany koa ny tanora matoa nandroso io soson-kevitra io.
Hiantomboka amin'ny fanentanana ifotony ny fanapariahana ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté isam-paritra. Hampiarahana amin'izay koa ny fandinihana ny fomba hahafaha-manampy ny fitondrana amin'ny fanatanterahana ny Madagasikara Am-Perinasa izay hita fa tena hahasoa ny firenena saingy tsy ampy tosika sady tsy fantatry ny mpahazo tombontsoa firy ka mihisatra ny fampandehanana azy !
Niasa hatrany
Ho voapetraka ara-panjakana amin'ity herinandro ity ny satan'ny fikambanana izay voatsangana roa volana lasa teto Madagasikara. Efa tany amin'ny taona 2002 kosa no niforona ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté International, foiben'ity tafapetraka eto amintsika ity ary tsy niandry fa nanao asa fanasoavana teto foana hatramin'izay. Ny lafiny momba ny fiahiana ny zaza sy ny ankizy no tena niantsorohany tao anatin'izay.
Efa an-dàlana sahady koa ny asa fananganana trano sekoly sy fampidiran-drano fisotro madio natomboky ny fikambanana any amin'ny fokontany Ambodifarihy ao anaty vinavinan'asany amin'ity taona ity.




Fitanterana
Resaka fotsiny no bobaka
Ady hevitra tsy nisy tahaka izany. Ny herin'ny fahefana rehetra no manao litania amin'ny haino aman-jery mba hiarovana ny ain'ny vahoaka eo amin'ny tontolon'ny fifamoivoizana. Inona no vokany, maty ihany vahoaka tsy manan-tsiny.
Naiditra am-ponja ireo nahafaty olona. Henjana ny sazy nomena azy, nefa toa tsy maharesy lahatra ny mpamily ny vokany. Miseho ho mahay noho ny hafa ka ny fandehanana mafy no grady heveriny ho azo. Tsy ny eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin'ny zotra nasionaly. Maty ny mpanao gazety namana, ary ny olon-tsotra tsy lazaina intsony. Ny saofera no azo lazaina fa tena maha-kamboty vahoaka eto. Mba narahiny ve ny fiofanana nampanaovina azy ireo, sa natao haingitraingitra ? Toa vao maika nampi-zesta an-dry lemontana ny fampanaovana kiravato azy, indrindra indrindra fa misy vehivavy izay eo anilany. Enga anie mba tsy ho resaka fotsiny no bobaka momba ireny fikaonan-doha sy baiko hentitra nomena momba ny fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'ireny fitateram-bahoaka ireny. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny namanay maty noho ny an-tandrevaka nataon'ny mpamily sasany izahay eto amin'ny Madagascar Tribune.




Referandaoma
Mitohy ny fitakian'ny FTSV
Tsy tafitan'ny fanjakana intsony ny toky natao, ka aleo miditra amin'ny referandaoma. Io no isan'ny nambaran'ny filohan'ny « fikambanan'ny tanora sahy sy vonona » Ramamonjisoa Isaak ny tolona heveraina ho atao. Fito taona lasa izay ny toky napetraky ity filoha ankehitriny ity, nefa aiza ny zava-misy ankehitriny ? Fahoriam-bahoaka, izay tsy azo leferina intsony. Iza ny olona tsy afaka hanao fampitaha ny vidin'entana niainga tamin'ny 2001 ka hatramin'izao. Mbola afaka hirehareha ve ity fitondrana ity fa nahavita asa teny anivon'ny fiaraha-monina ? Nahoana no tsy ahalalahana ny vidin'entana, ka isan'io ny menaka ? Hatreto dia fitiavan-tena no manjaka amin'ny mpitondra ankehitriny. Leo ny vahoaka, ary porofon'io ny fahitana fa nihena hatrany ny isan'ny mpifidy. Nahazo vato 53% ny filoha Ravalomanana ny taona 2001. Ankehitriny anefa zara mahazo ny 13% ny vaton'ny mpifidy ny TIM. Hisy ny famoriana ireo mpitarika politika tsy ankanavaka hatao ato ho ato, ary omena fanasana amin'io ny filohan'ny repoblika. Tsy ankasitrahany kosa anefa ny fitarihana Grevy lava reny toy ny fahita hatramin'izay, satria io ihany no nanimba ny firenena. Tao amin'ny Aceem Radio omaly alahady no nanambaran'ity fikambanana vao nijoro heritaona ity ny heviny momba ny fianam-pirenena.




Maherin'ny 150 izy ireo
Mampitolagaga. Tsy ifankahitana raha ny isany. Tsy fantatra ary tsy hita akory izy reo. Na izany aza, ary tsy azo lavina fa midika izany fa malalaka ny sehatra politika. Manana safidy ny olona. Malalaka ny fanaovana pôlitika. Mifamahofao ny fijery sy ny hevitra.
Saingy rehefa tonga ny fifidianana dia hafa tanteraka ny tontolo iainan'ny mpifidy. Eny na dia fifidianana ifotony aza ; tahaka ny fifantenana ny ho « sefom-pokontany ». Ny zava-misy aloha dia antoko tokana foana no mibata ny tena fandresena na marimamarina kokoa ny toerana maro ho tsinjaraina. Ny ampahany kely dia kely amin'ireo olomboafidy no mahaleotena.
Ireo mahaleotena ireo ve no avy amin'ny antoko na fikambanana maro an'isa ? Sa ireo no tena mavitrika any ifotony ?
Raha tsorina dia tena mandray anjara an-kalalahana sy fahafantarana tanteraka ny tena vontoatin'ny antoko pôlitika sy ny fifidianana ve isika sa kosa manangana antokom-pianakaviana na antokototokon'olona fotsiny ? Hany ka tsy mampiraika ny olompirenena ? Sa dia tsy hain'ireo antoko na fikambanana pôlitika ny mandalina sy mampivohitra ny hetahetan'ny olompirenena ? Nefa dia tsy sarotra ange e ? Inona no tena mavaivay ny tokantrano ? Inona no tena manahirana azy ? Ny fianaran-janany aloha, ny sakafony isan'andro, ny fahasalamany, ny ho aviny, izany hoe, ny tranony, ny fialamboliny, ary ny tena ho aviny amin'ny maha-olona azy miha-antitra. Asa fa dia hatramin'izao dia ny TIM sy ny namany no malaza. Teo aloha dia ny Arema. Talohan'izay dia ny Undd ; dia ny Hery Velona ary ny tany am-boalohany dia ny PSD.




Tafatafa amin'i Raw
Mitovy fa tsy sahala
Ny matoan-dahatsoratra omaly « Omniscient » dia nampahatsiahy lahatsoratra iray nataon'ny mpandinika tamin'ny taona 1997, izay nivoaka tamin'ny 2004 tao amin'ny gazety mpiseho isan'andro « Express de Madagascar ». Ny lohateniny dia « Mbola mety ho tafarina ve isika » : « O ry mpitondra ! » Mahaiza manetry tena ô....
Raha tsorina dia toa endrika sy tranga iray ihany no hitany tamin'izany fotoana izany, sy ny hitan'ny gazety « Express de Madagascar » tamin'ny taona 2004, volana septambra namoahany io lahatsoratra io an-gazety, ary ny zavatra tsapan'ny mpandinika ao amin'ny « Madagascar Tribune » ankehitriny.
Hoy ny mpandinika sady masoivohompirenena malagasy teo aloha, hoe :
1&#176; - Raha vao tafakatra eo amin'ny fitondrana ny mpanao politika « gasy » dia tsy manam-panetre -tena intsony fa dia izy no miseho ho mahay sy be saina indrindra eto amin'ny firenena. Hitsabahany daholo izao sampana rehetra izao, ary matetika ary izy no manome lesona ny manam-pahaizana manokana,
2&#176; - Satria izy no mahay sy be saina indrindra dia tsy miady hevitra intsony, tsy mihaino toro-hevitra fa izay ao an-tsainy ihany no tsy maintsy tanterahana na hampitondra faisana ny vahoaka aza ny redirediny. Tsy mahatsiaro-tena akory ary izy fa matetika sahy manome lesona an'ireo filoham-pirenena mitovy aminy (hitantsika izany na tamin'ny andron'i Tsiranana ary raha mamaky ilay boky nosoratan'i Edouard Chapuis : « Prison pour un expert »).
3&#176; - Ny teny avoakan'ny vavany dia manan-kery noho ny Baiboly.
4&#176; - Izy irery ny treman'ny firenena. Tsy nandimby olona izy, ary tsy hanana mpandimby mihitsy. Noho izany dia tsy tiany ho fantatra ny atao hoe tantaram - pirenena fa nanomboka teo aminy ny Tantara.
5&#176; - Tsy zakan'ny sainy mihitsy izany hoe hisy hisolo azy izany... Raha fintinina hoy ity mpandinika dia tsy mahatoky ny vahoaka ny mpitondra malagasy ary raha mimenomeno ny olona fa leon'ny tery vay manta dia atao valy boraingona hoe : « Tsy mila an'izany demokrasia izany ny tany mahantra ». Dia faranany toa izao moa ny lahatsorany : « Ary ho an'ireo milaza azy ho olona ambony sy manan-kaja miseho ho be saina noho ny rehetra dia ity misy teny fohy atsipy, notsongaina tao amin'ilay boky mafonja sy lalina nosoratan' i Montaigne (1553 - 1592) : « Na avo toy ny inona ary ny sezam-piandriananao dia tsarovy fa ny fitombenanao ihany no ipetrahanao eo » (« Les Essais » izay adika amin'ny teny malalaka hoe « dinidinika » na « tapatapak'ahitra » , boky faha III, laharana XIII). Lahatsoratra vokatry ny fandinihana sy fijery ny tontolo manodidina moa ilay « Omniscient » ka samy manana ny fandraisany azy.
Na izany na tsy izany dia re ombieny ombieny ny fimenomenoman'ny mpanao politika fa miha-jadona ny fitondrana ary mampieritreritra lalina. Toa lasa saina hatramin'ny vahiny monina na mandalo eto aza ka mahatonga azy ireo hametra-panontaniana matetika sy hanadihady amin'ny mpanao gazety. Asa tsapan'izy ireo ve ny fahasamihafan'ny resaka sy ny zavatra hitany any amin'ny sehatra « ofisialy » sy ny zavatra tsapany na hitany ivelan'ny seha-panjakana ka mba te-hanadihady sy hiaino feon-dakolosy hafa koa izy ireny ?
raw.tribune@gmail.com




Tsy ampy fitaovana
Io indray ny afo be. Tetsy Ankorondrano indray no nahitana firehetana omaly, ka niteraka fahavoazana ho an'izay tratry ny afo. Tonga ara-potoana ihany anefa ny mpamonjy voina, ka tsy nihitatra firy ity afo ity. Tao ho ao dia nahitana fahapotehana fananana momba ny haitrano ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina. Isan'io ny tetsy Tanjombato sy Tsaralalàna. Dia io niseho io indray ny tetsy Ankorondrano. Manana ny fitaovana ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna, saingy azo heverina fa tsy ampy ireo, raha tsy hiteny afa-tsy ny tsy fahampian'ny rano. Manano sarotra ihany koa ny miditra amin'ny toerana elakelan-trano izay ahitana ny voina, nefa mbola azo deraina ny ezaka ataon'ireto mpamonjy voina ireto.
Ilaina ny fanomezana fitaovana ampy azy ireo, ary indrindra ny fanampiana ireo toerana ahazoana maka rano haingana, mba hisoroana ny voina mateti- pitranga. Angamba tsy hilàna mpamatsy vola ny toy izany, fa mba isan'ny firenena manana ny maha-izy azy isika ka vitan'ny hafa ve tsy ho vita eto ?




Fitsarana mpanao politika
Nisesisesy tao anatin'ny volana vitsy
Mipoitra tsikelikely eny anivon'ny fitsarana ny raharaha masahana ireo mpanao politika eto amintsika. Niainga tamin'ny raharahan'ingahy Davida Rajaon, izay noafahan'ny fitsarana noho ny fisalasalana. Nitohy tamin'ny raharaha Pety sy ny Jeneraly Andrianafidisoa nipaka hatrany amin'ingahy Voninahitsy, ary io niafara tamin'ny fisamborana an'i depiote Zakahely ny alahady hariva teo.
Ny tafavoaka aloha dia iray, fa ny sazy niampy kosa ny an'ireo hambara ho nikasa hanongam-panjakana ny volana novambra 2006 teo. Nanaitra ny rehetra ihany izao fihazakazaky ny fitsarana ireto mpanao politika ireto, satria tao anatin'ny vanim-potoana fohy no nisehoan'izany. Ny momba an'ny depiote Zakahely kosa dia voalaza fa efa ela ny lehilahy no tokony ho nosamborina, saingy io alahady teo io izany vao natao izany. 30 volana an-tranomaizina no didy navoakan'ny fitsarana ho azy. Tsy vitsy tamin'ny mpitarika antoko politika teto amintsika no nikilasy izao fiakarana eny amin'ny fitsarana izao ho fanampenam-bava izay minia haneho hevitra eto momba ny fiainam-pirenena. Misy mihitsy ny nilaza fa raha ny filazàna ny marina no hidirana am-ponja dia tsy olana amin'izy ireo izany.




Fitaterana nafarana tany ivelany
« Nipirina ny tramway fa tonga ny TGV »
Tsy hita tabilao intsony ny niafaran'ireo Tramway nafaran'ny ben'ny tanàna teo aloha Patrick Ramiaramanana. Noheverina fa hampiasaina hanala ny fasahiranan'ny olona manodidina ny renivohitra izy io, saingy nanjavona ankehitriny.
Matoa nafarana ho tonga eto itony Tramway itony, dia efa voafaritra mialoha ny fitaovana hampiasaina aminy. Nisy ihany koa ny volan'ny kaominina nivoaka tamin'ny fanafarana azy nefa tsy misy tompon'andraikitra iray manazava ny mety na tsia hampiasana azy io eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny mpitazana dia nanamarika fa « nipirina ny tramway fa tonga ny TGV ». Mety ho vazivazin'ny mpandalo io, nefa toa mitombina. Tsy aleo ve amidy any an-kafa raha toa ka tsy azo ampiasaina intsony, sitrany ahay mba mahavita asa kely eto an-drenivohitra ny vola azo avy aminy. Izay no ilàna ny serasera maty paika mipaka any amin'ny vahoaka mba tsy aha-tompon-trano mihono azy ireo.




Fandalovan'i Rossy
Tsy atao mahagaga ny fitiavan'ny maro azy
Faly ny maro, fa tonga ny mpitapôlaka. Izay nolalovany feno hipoka avokoa. Isan'ny VCD mandeha indrindra ny kapila mangirana navoakany « ino vaovao », satria tsara rafitra ny gadon-kira navoakany. Tsy nilàna fandefasana hira matetika tamin'ny haino aman-jery ny hira vao malaza, fa tonga ho azy ao ambavan'ny maro. Ny antony, dia tsy nirototorotoana ny famoronana fa niangaliana an-taona maro. Tsy atao mahagaga ny fitiavan'ny olona azy, satria ireo hira tany aloha mbola miverina ao ambavan'ny maro. Izay no ilaina fitrandrahana ny gadona amin'ny kanto avoakan'ny mpanan-kanto, fa tsy sanatria izay manana vola ahafahana mandefa matetika ny hirany amin'ny radio na tele no heverina fa hampalaza ny tena. Hira iray ny an'ny sasany no mba fantatry ny maro, nefa ny fampisehoana ao Antsahamanitra no maha-maika. Ataovy fakàna lesona i Rossy raha te-hanambola eo amin'ny sehatry ny kanto.




Ny vadiny :
RAJAONAH Gilbert
Ny reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Marguerite
Ny zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONA Biquet Gaëtan sy Lova
Ny zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé.
Ny iray tampo aminy, ny iray tampo amin'ny vadiny ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno anareo rehetra tonga nampahery sy niombom-bavaka, tamin'ny namoizany ny malalany :
« Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao ;
Efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina.
Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho »
(Sal 30,11-1)




Be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy
Mitobaka eny an-tsena ankehitriny ny sakafo maro samy hafa. Hita ho nisy fidinany kely ny vidim-bary na dia ao anatin'ny fotoanan'ny maitso ahitra aza isika izao. Diso ny heritreritra raha hilaza fa hisy mosary eto, satria ny sakafo rehetra, dia vokatra eto Madagasikara.
Ny mampalahelo anefa dia ny ho enti-manana no tsy ampy. Zara raha mahavita andro vitsy ny karaman'ny mpiasa Malagasy. Ny fitrosana no zary mahazo sehatra eny amin'ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy ahitana karne kely avokoa ny mpivarotra rehetra, ary anaran'olona maro no hita ao. Anarana izay hikaotiana ny entana notrosain'olona tao amin'io mpivarotra io izany. Izay no hilazana fa dibo-trosa ny ankamaroan'ny mponina. Hatreto dia hita fa be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy. Raha tazanina ivelany anefa ny Malagasy indrindra ny andrenivohitra, toa tsy hita taratra any amin'izy ireo izany fahantrana izany. Ny antony, dia ny fitafy ivelany sisa no ezahina atao mety amin'ireny Friperie ireny, mba hanafenana ny fahantrana. Mila fihezahana anefa ny fiainana fa tsy sanatria hitanondrika lava izao, satria tsy nisy nateraka hijaly. Sa ny saina mihitsy no tsy te-hivoatra ?




Asa tantsambo
Mitaky fiofanana tsy araky ny aina ny toetrandro
Mila voatsiary sa ny fandrosoana no mitaky izany ? Raha ny fanapahan-kevitra noraisin'ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale), tamin'ny 22 mey 2007 - izany hoe herintaona lasa izay - dia tsy maintsy manana ireto fanamarinana ireto ireo tantsambo Malagasy : certificat de sécurité de base (Base), certificat d'aptitude physique (APT), certificat de formation médicale niveau 2 (SMED), certificat de qualification avancée à la lutte contre l'incendie (Avance), certificat d'aptitude pour l'utilisation des APRA (raha misy io fitaovana io ilay sambo iasany), ary certificat d'aptitude à l'exploitation des embarcations et radeaux de sauvetage (Caeers). Fenitra fantatry ny tan- tsambo avokoa ireo, kanefa mitaky enti-manana izay mety tsy ho zakany.
Mitombo isa kanefa tsy afa-miasa
Ankoatra izay, ireo izay efa nanana ireo, dia tsy maintsy manatona ny tompon'andraikitra misahana izany, hanavao azy indray. Nomarihan'ilay fanapahan-kevitra voalaza etsy ambony anefa fa ireo taratasy fanamarinana rehetra azo talohan'ny taona 1999 dia tsy manankery intsony.
Raha ny ao amin'ny serana-tsambon'i Toamasina fotsiny, dia manodidina ny 20.000 ireo tanora tantsambo, manana ny bokin'ny tantsambo « livret marin », kanefa tsy manana sambo iasana akory. Tsy latsak'izany ny any amin'ny faritra hafa, toy ny any Mahajanga. Ny faravodilanitra foana no tazanina sao mba mety hisy ny fanantenana any ho any.
Ny fenitra avy amin'ny STCW (Standards of training certification and watch) no takiana amin'ny fahafahana miantsambo, izay andaniana hatramin'ny Ar 460.000 raha ohatra ka kilasimody, ary Ar 570.000 kosa raha kilasimandry, any Mahajanga.
Fiarovana ny sisin- dranomasina
Eo ho eo amin'ny 5.000 km eo ny sisin-tanin'i Madagasikara. Tsy ary fomba anefa ny fiarovana azy, raha ohatra tsy hiresaka afa-tsy ny ireo sambo aziatika miremby manodidina ny Nosy, « mangalatra » tsotra izao ireo lamatra sy makamba anatin'ny fari-dranomasina malagasy.
Raha ny antontan'isa azo aroso, dia manodidina ny Ar 900 tapitrisa no very, tsy tafiditra anaty kitapom-bolam-panjakana noho ny tsy fisian'ny fiarovana feno, na dia manao izay ho afany aza ireo tompon'andraikitra, indrindra ny Zandarimariam-pirenena.
Fiofanana : ho an'ny tantsambo. Fiofanana : ho an'ny mpitandro ny filaminanana. Afaka ny hanome ny fiofanana ilaina ve ny APMF, orinasa malagasy, ho an'ny Malagasy ?




Fiainam-pirenena
Mitaky fitsapakevibahoaka ny tanora
« Efa tsy laitra intsony ity », hoy i Isaak Ramamonjisoa, isan'ny mpitarika ny « Fikambanana Tanora Sahy sy Vonona (FTSV) ». « Diso fanantenana izahay tanora raha feno tanteraka izany fanantenana izany tamin'ny taona 2002 », hoy izy. « Raha ny 53%-ny mpifidy no nirohotra nifidy an'i Marc Ravalomanana tamin'ny 2002 dia ankehitriny tsy nisy hafa tsy 13% fotsiny sisa raha ny fahitanay azy. Ny antony moa dia tsy nisy tanteraka ireo zavatra nampanantenainy fa toa miha-mahantra ny tokantrano malagasy. Sahiran-dava ny raiamandreninay. Noho izany, miantso ny Fanjakana izahay mba hikarakara fitsapakavibahoaka (référendum) ».
Raha nanontaniana moa i Isaak Ramamonjisoa ny amin'ny endrika isehoan'izany fitsapakevibahoaka izany dia hoy izy : « fanontaniana no apetraka amin'ny mpifidy hoe "mbola ekenao ve ny hijanonan'ny fitondrana ankehitriny amin'ny toerany, Eny sa Tsia ». Nanazava moa izy fa ny anton'izao hetsika takian'ny fikambanany izao dia mba hisorohana ny fandikan-dalàna sy fifikirana amin'ny ara-dalàna mba tsy hisian'ny korontana lava izao rehefa hisolo fitondrana.
Hevitra tahaka ny hevitra rehetra moa ity naposaky ny tanora ity ; maneho fandraisana andraikitra sy fahavononana ao anatin'ny lalàna amin'ny raharaham-pirenena.




Takaitra ny valin'ny vola be aloa amin'ny Jirama
24 ora no fitokonana ataon'ny mpiasan'ny Jirama. Na ora roa monja aza io, dia efa hiteraka faty antoka amin'ity orinasam-panjakana ity. Voalaza fa ao anatin'ny fanarenana isika izao, ka tamin'io, dia ny saran'ny jiro sy ny rano no nampiakarina. Nahatratra hatrany amin'ny 30% ny sandan'io fiakarana io, ka na dia hita aza fa tsy zakan'ny isan-tokantrano, dia nambara fa ny antsika eto Madagasikara no mora indrindra ny vidiny aty amin'ny faritry ny ranomasim-be Indianina.
Dia nangina ny vahoaka, satria fanatsarana zavatra no atao. Mitokona indray ry zalahy sy zavavy fa voakitikita ny tombontsoa tokony ho azy ireo. Ny famindran-toerana izany. Tsy mbola tonga any amin'ny tokantrano ny faktioran'ny Jirama izay ahiana hitambatra be ka tsy ho voahefa indray. Ho tapaka ny jiro sy rano raha tsy voaloa io.
Dia ho takaitra toy izao ve ny valin'ny vola be aloan'ny mpanjifa any amin'ny Jirama ? Ny delestazy saika isan'andro teo aloha aza efa mangidy, nefa dia izao sahady indray no mitranga. Sa tsy maintsy mandefitra hatrany ny mpanjifa ? Asa na hanaiky ny hifampidinika ihany ny mpampiasa fa hatreto aloha dia samy mbola mitazona ny teny nomeny ny andaniny sy ny ankilany.




« Gare routière » etsy Ampasampito
Misy tsy manaiky ny fandaminana ny koperativa
Omaly no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy indray ny « Gare routière » etsy Ampasampito. Tsapa nandritra io omaly io fa misy ny tsy manaiky ny fandaminana ireo koperativa hafa. Isan'io ny KOFIMANGA. « Aleo samy mameno ny azy », hoy izy ireo, « fa tsy atao izany faritra iray no handoavam-bola ary io no hameno ny fiara ». Ny ben'ny tanàna lefitra no tonga teny an-toerana. Tsara ny milaza fa tamin'ny andron'ny ben'ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanombohan'ny asa. Notokanana kosa tamin'ny andron'ny PDS Hery Rafalimanana, ary nikatona indray nandritra ny fotoana maharitra, ary izao nosokafan'ny mpitantana ankehitriny izao indray. Tafapetraka hatreto ny fanohizana ny asam-panjakana mipaka any amin'ny vahoaka.Mba rahoviana kosa ny eny amin'ny « Fasan'ny karana » vao hisy hanamboatra ?




Zakahely Boniface
Rahoviana no esorina ny zo « Tsy azo kitihana » ?
Hifantoka etsy Tsimbazaza indray ny mason'ny mpanara-baovao. Hihaona mivantana ny Governemanta sy ny depiote. Ny tatitry ny asa vita sy ny mbola ho atao no hifantohan'ny fihaonana.
Isan'ny ahasarika ny sain'ny maro ihany koa ny momba ny zava-nitranga nahazo ny depiote Zakahely izay nalefa any amin'ny fonjan'Ambalatavohangy ny alahady teo. Tsy vao izao no nahitana depiote nahiditra am-ponja teo am-perin'asa, fa efa nihatra tamin'ny depiote Voninahitsy io. Mbola any am-ponja ihany koa ity lehilahy ity hatramin'izao. Ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Lahiniriko, dia efa nilaza fa tsy azo ekena ny toy izao, satria ho voatsimpona ho alefa eny am-ponja avokoa ny namana rehetra raha mitohy izao. Nampiongana azy teo amin'ny toerany ny nanambarany izany. Hatreto dia miandry ny mety hanalàna ny zon'ity depiote ity ny maro, ary ho hampiakarina handimby ny toerany ve ny laharana faharoa tao anaty ny lisitry ity depiote ity sa hajanona amin'izao ? Ireo namany etsy Tsimbazaza, dia tsy nahenoina fanehoan-kevitra fa nanipy ny baolina any amin'ny Fitsarana. Midika ve izao fa efa very ihany koa ny firaisan-tsaina eo amin'ny samy olom-boafidy ?




Hiofana aiza ireo tratra farany ?
Telo nipetraka telo nandeha. Io no vokatry ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana ny alarobia lasa teo. Tsy mora ny fandinihina ny atotan-taratasy natao, matoa aty amin'ny faran'ny volana Mey vao nivoaka ny izany didy izany.
Efa nandray ny andraikiny momba ny fitantanana ny kaominina ireo ben'ny tanana telo noesorina indray tamin'ny toerany ireo. Ireny niarahana nahita ireny ny fiofanana nataon'izy ireo teny Iavoloha nandritra ny roa andro. Efa nisy ny fametrahan'ny tompon'andraikim-panjakana ny samboady ireto ben'ny tanana ireto, nefa dia ho esorina indray izay efa nisalorana. Ny marina anefa marina ihany, ka handray ny andraikiny manomboka izao izany ireto ben'ny miisa telo ireto. Hiofana aiza izy ireo, sa avelao hampihantra ny fahaizana momba ny fitantanana ry zalahy ireto ? Fifaninana no atao amin'ny asa eny anivon'ny kaominina koa mety ho tratra aoriana ve ireto farany ireto ? Mino anefa isika fa nisy asa efa natomboky ny nodimbiasana ao, ka tsy hananosarotra ny famindrana ny fanilo manomboka eto.




Governemanta sy ny depiote
Nangatsiaka ny lapa
Niova tokoa ny fomba fiasa. Isan'ny ezaka lehibe nampetraky ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla io, ary tsy itsahatra namerimberina izany izy tao an-dampa.
Tsy dia maro loatra toy ny fahita hatramin'izay ny fanotanian'ireo depiote, na dia niezaka ho fanotaniana iray tonga dia valiny aza ireo mpitarika ny fivoariana. Ny atoandro dia efa vita ny ady hevitra. Asa resy lahatra tamin'ny asa nataon'ny Governemanta tokoa angaha ny depiote ka tsy nanana hafitsoka firy tamin'ny fanontaniana. Ny Praiministra Charles Rabemanjara, dia nanamafy ny tokony hisian'ny fifampitokisana, ary ny fiaraha-miasa matotra, mba ahafahana manatanteraka ny lahasa atao eto. Raha mbola misy ny mialangalana, dia handamoka ny ezaka tiana hampetraka eto. Nitodika tany amin'ny faritra sy ny kaominina izy ny hanaovana ezaka lehibe miainga ifotony. Entano ny olona handoa hetra afahan'ny kaominina miarin-doha.
Anio maraina dia hiazo ny etsy Anosikely indray ny mpikatroka ao amin'ny Governemanta hitafa amin'ny loholona miisa 33.




Tarika « Feo Dimy »
Mankalaza ny faha-25 taona nihirana
1983-2008 : Feno 25 taona nanandratana ny hita evanjelika ny tarika « Feo Dimy ». hetsika maro no hanaramarihan'izy ireo izany jobily izany, izay hosokafana ao amin'ny FJKM Amparibe-Famonjena, amin'ny Alahady ho avy izao, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro.
Araka y nambaran'ny pasitera Rahaingonjanahary Rodolphe, izay filohan'ny tarika dia hanamarika izao fankalazana ny faha-25 taona izao ny famoahana CD Audio izay hanasongadinana ny « Negro Spirituals » sy « Gospel songs », izay sambany no hisy teny malagasy.
Ankoatr'izay dia amin'ity taona ity ihany koa no hanovana ny tarika Feo Dimy ho fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana na ONG mba hahafahan'izy ireo miroso bebe kokoa amin'ny fanafahana ny olona, amin'ny alalan'ny fampifandraisana ny filazantsara sy ny lafiny sosialy ary fampandrosoana ekonomika. Tanjonan'ny « Feo Dimy » moa ny fizarana an'i Jesoa Kristy Mpanafaka ny ampahoriana sy ny mijaly amin'ny alalan'ny hira. Teny faneva nofinidin'izy ireo amin'izao jobily izao rahateo ny hoe : « Hitory ny Anaranao amin'ny rahalahilo aho », Sal 22 /22.
Raha ny zava-bitan'ity tarika ity moa, araka ny nambaran'ny pasitera Rahaingonjanahary dia fampisehoana 200 teo ho eo, tany anivon'y faritany sy teto Antananarivo. Horonam-peo roa kosa no efa navoakany, tamin'ny taona 1990 sy 1998.
Amin'izao fankalazana ny faha-25 taona izao dia tanjon'ny « Feo Dimy » ny hamoaka CD, VCD ary DVD. Efa manana site web moa ny tarika (http://feodimy.cabanova.fr) .
Hisy ihany koa ny famoahana boky sy fikarohana momba ny filazantsara sy ny kolontsaina. Mbola hanao fampisehoana mitety faritra ihany koa ny tarika hanampiana asa fanorenana fiangonana sy fampitaovana entina mitory ny Filazantsara.




Tapa-kila Taxi-be
1000 ar no sazin'izay mandrovitra
Izay mpandeha tsy manana, manary, na mamotika tapa-kila dia voasazy handoa 1 000 ariary hoan'ny zotram-pitaterana iray eto an-drenivohitra. Hoan'ity zotra ity, izay mampitohy an'Amboditsiry amin'ny Tanjombato dia sarobidy ny tapa-kila. Somary hafakely mantsy ity tapakila ity miohatra aminin'ireo zotram-pitanterana hafa mahazatra.
Tapa-kila taratasy mifono « plastique ». Izany hoe tapa-kila « plastifié ». Somary ngezangeza tsy toy ny mahazatra. Tsy mitambatra intsony fa mitsitokatokana. Sahala amin'ireny « jeton » ireny. Somary lafo ihany noho izany ity tapa-kila ity. Izany indrindra no tsy maintsy hamerenan'ny mpandeha ny tapa-kilany rehefa midina ny taxi-be.
Izay no mahatonga ny fitsipika somary hafahafa ato anatin'ity zotra ity. Izay mpandeha tsy manana, manimba, na tsy mamerina ny tapakilany rehefa hivoaka ny fiara dia voasazy handoa
1 000 ariary
Izany fitsipika rehetra izany moa dia efa voasoratra eo amin'ny tapa-kila ka azon'ny mpandeha vakina tsara. « Tapakila fanamarinana, averina rehefa mandeha. Aza aforitra na simbaina, » izany no soratra hita eto amin'ity tapa-kila ity ankoatra ny laharan'ilay zotra, ny laharan'ilay fiara, ary ny laharan'ilay tapa-kila.
Efa ho tapa-bolana izay no nampiharan'ity zotra ity izany fandaminana hafakely izany araky ny fanambaran'ny mpanampy mpamily iray. Tsy mbola nisy aloha ireo mpandeha nitaraina. Saika namerina ny tapakilany avokoa moa ireo mpandeha rehefa midina ny fiara. Misy ihany anefa ireo mpandeha somary maneso ilay tapa-kila na dia vitsy aza izy ireo.
Araky ny filazan'ny mpanampy mpamily nanontanianay ihany dia tsy manohitra izao fomba fiasa izao ny ATT na « agence des transports terrestres. » Toa izany koa ny « Direction du transport ». Raha hoan'ny mpandeha indray dia mora tahirizina ilay tapa-kila. Miha madio koa ny tanàna satria ny ankamaroan'ireo loto eny amoron'ny arabe rehetra eny dia ireo fatina tapa-kila taxi-be...
Hoan'ny taxi-be indray dia mihena ny fandaniana isan'andro ho an'ny fividianana tapa-kila homena ny mpandeha. Somary mandany vola kely manamboatra tapa-kila « plastifié ». Fa indray mandeha ihany no mandany vola dia samy vita.




Hijanona ho bado ny tantsaha
Izay tsy mahay Informatika ny taona 2000 dia naman'ny bado. Teny nentina hidiran'ny olona amin'ny fahaizana ny resaka Informatika io. Niroborobo ny fidiran'ity sehatra ity tetsy sy teroa, ka zary nahazo ny tandrify azy ny mponina anranan-dehibe. Tsy vitsy ihany koa anefa no mbola tsy mahay izy ity ny mponina andrenivohitra an.
Hijanona ho bado hatrany ny tantsaha. Ny antony, dia na ny fahaizana mamaky teny sy manoratra aza mbola ny 80% ny mponina any tsy mahay ireo. Izay mba mahay manoratra sy mamaky teny indray, dia tsy misy jiro hampiasaina ny resaka Internety. Ny antanan-dehibe aza tsy voavatsy jiro, na misy fa hanjakan'ny delestazy. Mba te-ahay tahaka ny zana-bahoaka ny mponina any ambanivoly, saingy ilay politika entina hampandrosoana ny ambanivohitra no tsy tafitan'ny mpitondra hipaka any amin'ny tantsaha. Resaka fotsiny ny ankoatran'izay. Misy ny ezaka hanamparitahana fahefana mipaka hatrany ifotony, ary izay no anton'ity faritra 22 ity. Nomena fahefana ny sefom-pokontany sy ny ben'ny tanana. Tompona'ndraikitra feno amin'ny fampandrosoana ny lehiben'ny faritra, nefa hatraiza ny tena asa mivaingana any amin'ny vahoaka rehetra any ? Sa vao manomboka ny asa ? Ho hita eto ary hirariana mba ho tafapaka hatrany amin'ny tany lavitra andriana rehetra any ny resaka Internety sy ny maro samy hafa mba tsy hijanona ho bado araky ny nambara ny ireo havantsika any ambanivohitra rehetra any.




Moxe Ramandimbilahitra
Tsy nihemotra tamin'ny hevitry ny TEZA
Hampanjakao eto amin'ny tanintsika ny teny Malagasy. Isan'ny fehin-kevitry ny antoko Teza hatramin'izay io, ary hitakiany ny hanaovana ny taratasim-panjakana rehetra ho amin'ny fiteny Malagasy. Miainga any amin'ny fokontany, ka mipaka hatrany amin'ny ambaratonga ambony.
Omaly raha nanao ny fihaonana mivantana tetsy amin'ny lapan'ny antenimieran-doholona etsy Anosikely ny mpikambana ao anaty Governemata sy ny loholona, dia mbola nanamafisany izany. Niainga amin'ny fanaovana ny tarasan'omby amin'ny teny Malagasy, mba hisorohana ny halatra omby. Efa notakiany hatramin'izay ny fananganana ny fitsarana ambony mba hitsara ireo mpitondra ambony eto amintsika. Ny ministry ny fitsarana dia namaly avy hatrany io omaly, fa efa misy taratasy heverina ny hananganana azy io eto amintsika.
Ny loholona Moxe Ramandimbilahitra dia hita fa nahazo vahana amin'ireo hevitra tapaky ny antokony tany aloha, ka ho entina ho tanterahin'ny mpanan-tanteraka. Iza tokoa no ilana ny fahazoana fahefana e.




Mpampianatry ny FRAM
Tsy nandray karama 3 volana
Telo volana izay no tsy nandray ny tambi-karamany ireo mpampianatra karamain'ny FRAM, amin'ny EPP sasany eto an-drenivohitra. Ilay fanampiana avy amin'ny fanjakana ity tsy azo hatramin'izao ity, ka raha araka ny nambaran'ireo mpanabe dia ar 60000 isam-bolana ilay vola. Mbola ireto mpanabe ireto ihany koa anefa ilay tsy nandray ny tambikaramany tamin'ny fitsarana fanadinana BEPC tamin'ny taon-dasa, hatramin'izao. Angamba, hoy ireo mpanabe, tsy avy amin'ny fisolosoloan'ny minisitra loatra no antony satria zavatra efa vonona io fa tsy mitaky fanapahan-kevitry ny minisitra vaovao.
Etsy andaniny anefa dia misy olona malaza ho mahay mamoaka ireny vola ireny ao amin'ny minisiteran'ny fanabeazana ao. Maro mantsy ireo mpampianatra any ambanivohitra any no mahafantatra io olona miasa ao Anosy io. Tany am-boalohany, hoy ireo mpampianatra dia tena nahavita tokoa izy, fa amin'izao fotoana izao dia toa fisolokiana sisa no vitany ka hitakiany vola etsy sy eroa.




Angarangarana
Vehivavy namaky trano
Vehivavy iray no saron'ny fokonolona nitaona entan'olona teny Anosibe Angarangarana, omaly antoandro tokony ho tamin'ny 12 ora teo. Efa minitra maromaro no nitaoman'ireo mpangalatra ny entana isankarazany toy ny fahitalavitra sy kojakojan-tokantrano maro, vao tonga saina ny olona sasany nandinika ny fihetsik'izy ireo toa mahimahina. Tsy naharitra ireo mponina nahita ny fisehoan-javatra ka nanadihady avy hatrany. Fantatra teo fa entan'olona ireto taomina ireto. Toy ireny olona mifindra trano ireny no fitaomana ireo entana. Olona mivady moa no saron'ny olona ka kilemaina ara-batana ilay rangahy. Niaiky kosa ilay ramatoa fa halatra ireo entana, saingy tsy nambarany ny toerana nangalarany azy. Ny olona teo amin'ny manodidina no nanambara fa tsy lavitra eo ny trano novakian'izy ireo, saingy mbola tsy nahazoana fitarainana teo no ho eo satria tsy tao angamba ny tompon-trano. Saika niharan'ny hatezeram-bahoaka ireto mpangalatra. Soa fa nisy niaro ka niantso mpitandro filaminana.
Manenjika mafy tokoa ny fahantrana ka mahatonga ny olona sasany ho tsy hatahotra na dia zava-doza aza no ataony.




Governemanta sy loholona
Niavaka tamin'ny maro ireo notendrena
Soa fa teo ireo tsy miankina. Saika ireo loholona notendren'ny filoham-pirenena no nanjaka tetsy Anosikely nandritra ny fametrahana fanontaniana omaly. Ry Moxe Ramandimbilahitra sy Rabetsintonta ary Rabotoarison sy ny namany no nibahana tamin'ny fanotaniana ho an'ireo ministra sy ny Praiministra. Ekena fa nandeha isaky ny vaomiera ny fanontaniana, saingy voafehin'ny mpitondra teny avokoa ve ny olana isaky ny faritra misy ireto loholona ireto ? Na dia fanamarihana sy soson-kevitra aza toa tsy sahy miteny ny ankamaroan'ny loholona TIM ? Hatreto dia tsapa ny olona efa zatra miady hevitra afaka mitondra ny hevi-bahoaka sy ny olona zatra manarakefa fotsiny. Sa te-hiteny fa matahotry ny ho bedy ?




Ny vadiny :
RAJAONAH Gilbert
Ny reniny :
RASOLOFOMASOANDRO Marguerite
Ny zanany :
RAJAONAH Solofo sy Clodie
RAJAONARY Mbolatiana Hugo sy Monique
RAJAONA Biquet Gaëtan sy Lova
Ny zafiny :
Emmanuelle, Mathieu, Yann ary Salomé.
Ny iray tampo aminy, ny iray tampo amin'ny vadiny ary ny fianakaviana manontolo, dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno anareo rehetra tonga nampahery sy niombom-bavaka, tamin'ny namoizany ny malalany :
« Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao ;
Efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina.
Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho »
(Sal 30,11-12)




Sitrak'Adriamanitra no niantsoany ny malalanay ny Alakamisy 29 Mai 2008 rehefa nivahiny 32 taona teto an-tany.
Hoy ny :
Iray tampo aminy :
RASAMOELINA Zafindrazaka Tidisoa
RASAMOELINA Nivonirina Lalasoa sy ny zanany
RASAMOELINA Vololoarizaka Hanitrasoa sy ny zanany
Ny Renibeny :
RAZAFINDRAZANAKA Philomène mianakavy
Ny iray tampo amin'ny Rainy sy ny Reniny
RAZAFINDRAZAKA Dieu Donné sy Vivi PARASKEVI
RAZANADRAIBE Noëlina sy RAKOTOARIMANGA Petera sy ny zanany
Ny Judokas rehetra
Ny Fkt Ankaditoho-Maroroho, Ankadikely-Ilafy
Ny Ekar St Etienne Ambanidia, Ekar Maria Manampy Soanierana
Ny nofony dia hiala eto Maroroho Lot III P 29 - A ary ho entina ao amin'ny Ekar St Etienne Ambanidia alohan'ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drazany eny Ankadikely Ilafy ny Alahady 01 Juin 2008 amin'ny 12 ora.
« Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampy sy anjarako mandrakizay Andriamanitra ».




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay ny namoizana ny malalanay,
Ny zoma 30 Mey 2008
Hoy
Ny Vadiny :
Nathalie RADAVIDRA RAMASINAIVO
Ny Zanany :
Mialy RAMASINAIVO
Josoa RAMASINAIVO
Ny Reniny :
Olga RAMASINAIVO
Ny Renibeny :
Pélagie RAZANABAHOAKA
NY Rafozany :
Jacky sy Mamy RADAVIDRA
Ny Iray tampo aminy :
Serge sy Voahangy RAKOTOMAVO
Hery Tiana RAMASINAIVO
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Didier sy Laure RADAVIDRA
Thierry sy Sarah RADAVIDRA
Mbolatiana RADAVIDRA
Ny Havany sy ny Fianakaviana manontolo
Ny Fiangonana Aumônerie Protestante Befelatanana Betlehema vaovao
Ny Fiangonana FJKM Ambohimarina Faharetana
Ny Fiangonana FJKM Ambohitrombihavana
Ny Fiangonana FJKM Manandrina Lovasoa Avaradrano
Ny Fokontany Mahatony Ivandry
Ny Fokontany Ambohitrombihavana
Ny Fokontany Ambodivoanjo Ivandry
Ny nofony dia entina miala ao amin'ny Villa « Erilynn » Mahatony Ivandry ny Alatsinainy 2 jona 2008 amin'ny 12 ora sy sasany ka ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Aumônerie Protestante Befelatanana Betlehema Vaovao alohan'ny hanaterana azy any amin'ny fasan-drazany eny Ambohitrombihavana.
« Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao ».
(Jeremia 33, 3)




Ho tapahina ny karama
Tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataonay izahay. Io no heno tamin'ny fanambarana nataon'ny mpiasan'ny Jirama. Ny zo maha-olona mihitsy no voakitika ka tsy azo leferina.
Na dia efa nisy aza ny fanelanelanana nataon'ny tompon'andraikitry ny ministera misahana ny asam-panjakana dia hita ho niala maina ihany izy ireo. Tsy misy marimaritra iraisana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa, ka ny vahoaka mpanjifa no mizaka ny vokany. Manoloana ity fitokonana ity, dia mandeha ny feo fa mety ho tapahina ny karaman'ny mpiasa izay mbola manao fitokonana. Tsy hampihemotra anay kosa izany hoy ireto mpiasa.
Ho an'ny vahoaka kosa dia mbola tsy tonga hatramin'izao ny faktioran'ny Jirama farany teo. Ahiana hiteraka faty antoka ho an'ny orin'asa izay hambara fa manomboka miarin-doha ny toy izao. Ny isan-tokantrano koa etsy ankilany, dia ho be ny ho tapaka jiro sy rano. Ny vola eo ampelan-tanan'izy ireo mantsy dia mety hivadika sakafo na zavatra hafa. Dia ho sanatria ve hiaina ao anatin'ny haizina indray ny maro, nefa ny delestazy aza ity tsy manakom-pery akory ? Aiza ny fahaiza-manaon'ireto vahiny mikarama vola be ao amin'ny Jirama no toa tsy maha-vaha olana ? Sa isika samy gasy no tokony hifandamina amin'izany ?




Fanalàna ben'ny tanàna
Voafidin'ny olom-boahongana ny loholona
Manomboka mandray ny asany ireo ben'ny tanana vao voatendrin'ny lalàna farany teo. Miisa enina izy ireo, ary nampita ny faneva kosa iretsy ben'ny tanàna ndao ny toerany. Ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana no namoaka ny didy tamin'ny herinandro lasa teo.
Tsy azo atao ambany maso tsy hita fa efa nosalorana ny samboady maha-ben'ny tanàna azy ireto vao nandao ny toerany ireto. Nandeha nifidy ny loholona ihany koa izy ireo, ary mbola nahazo fiofanana nandritra ny roa andro tetsy Iavoloha ihany koa izy ireo.
Tsapan'ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana fa tsy ara-dalàna ny naha voafidy azy ireo ka niroso tamin'ny fanitsiana izany ireto farany. Voafidin'ny olom-boahongana izany ny loholona sasany raha izao no fandehany. Ny antony dia mety nanana ny safidiny ireto ben'ny tanàna vaovao ireto raha izy ireo no lany mialoha, satria iharahana mahita fa avy amin'ny tsy miankina avokoa ireto tafakatra nibata fandresena ireto.
Mety hisy ny hilaza fa tsy hampiova zavatra izany, nefa mba mety tsy ho hita taratra kosa ilay fandresena 100% isaky ny faritra.
Izay no ilàna ny fani-tsiana ny lalam-pifidianana mba hisorohana ny toy izao. Ny Praiministra lehiben'ny Governemanta moa iny efa nilaza fa ny fampandrosoana aloha izao no maika fa tsy ny fanovàna ny lalàm-pifidianana izany. Ny fanontanian'ny maro dia ny hoe fa angaha tsy azo navoaka mialohan'ny fifidianana loholona iny didin'ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana iny ?




Tsena eto andrenivohitra
Alamino fa mahamenatra
Raikitra indray ny fifanjevoan'ny saka sy totozy. Nahamenatra tanteraka ny nahita ny fifanjevoana teo amin'ny mpivarotra sy ny mpiasan'ny kaominina ny zoma hariva teo. Tsy nifidy olona noraofina intsony ny teo anivon'ny kaominina eto andrenivohitra fa izay tandrify azy dia voadaroka no noraofina avokoa. Efatra no naratra, ary ireo nanatri-maso nanambara fa nisy ny maty ? Ramatoa lehibe iray nanambara fa mpangataka izy io. Iny zoma iny dia nisy ny fanadihadiana natao, fa tsy mbola nandrenesana ny fisian'io olona maty io, nandritra ny fifanjevoana tetsy Analakely.
Tsy maintsy diovina ny tanàna, ary tsy hanaiky lembenana izahay ato amin'ny kaominina. Tany tan-dalàna isika ka tokony ahay hanaja izany ny rehetra hoy ireto mpiasan'ny kaominina ireto. Ankilany, dia nanambara ny mpivarotra, fa tsy misy ny toerana natokan'ny kaominina ho azy ireo, ka ny moron'ny arabe no hany ahafahan'izy ireo mivelona. Ny mpividy koa etsy ankilany tsy maka sarotra fa avy hatrany dia mividy izay mety amin'ny filany. Alamino fa mahamenatra ny zava-misy eto amintsika. Ireo vahiny mandalo, dia mahatsapa fa hanjakan'ny korontana tanteraka ny tsena eto amintsika. Ny halatra ataon'ny jiolahy etsy ankilany dia miha-mahazo vahana amin'itony tsena itony. Ny sabotsy sy omaly alahady, dia hita fa mbola maro ny mpivarotra nivarotra teny amin'ny faritr' Analakely sy Mahamasina ary Isotry. Hanao ahoana indray ny anio ?




Ny fahasalamanao
Hoy i dokotera Onisoa Rindra Ralidera
Manomboka anio ary isaky ny alatsinainy dia hitafa aminao mikasika ny fahasalamana i dokotera ato amin'i Madagasikara Tribune. Ataony amin'ny teny malagasy mba ho tena tsy mialonjafy.
Mihanoka tanteraka ao anatin'ny vaninandro ririnina isika izao. Mety hivoaka na hiseho aminao na ao an-tokantranonao ny aretina isan-karazany mifandraika amin'izany vaninandro ririnina izany. Ho resahako anao ary ireo karazana aretina atao hoe « allergies » izay mateti-pitranga amin'ny ririnina.
Anio dia ny « rhinite allergique » no hanombohana azy.
Azo avy amin'ny fifampikasohana amin'ny « allergènes » izy ireo. Misy karazany roa izy io ka misy ny atao hoe « rhinite saisonnière ». Araka ny anarany dia miseho rehefa miova toetr'andro ; ny faharoa dia « rhinite perannuelle » na mandava-taona ; miseho noho ny fifampikasohana amin'ny « allergènes » manodidina (ohatra : biby, volom-biby, tapis, vovoka...).
Ny fisehoan'io aretina « rhinite allergique » io kosa dia avy amin'ny alalan'ny lelo be (1), mievona lava, mangidihidy be ny orona ary maso mena na marary (conjonctivite).
Fa raha toa ka miampy orona tsentsina na « sinusite » (maheno fofona maimbo any anaty orona ary marary ny an-doha) dia efa tsy « sinusite allergique » izany.
Raha miseho aminao io aretina « sinusite allergique » io dia fadio ny mihinankinana fanafody (na ilay atao mahazatra hoe automédication) fa ny tsara dia mankany amin'ny dokotera fa izy irery ihany no afaka manome fanafody sahaza ho an'ny aretinao satria ny « allergie » dia mila fikarakarana manokana eo amin'ny fitsaboana azy (2) ary ny fanaovana tsirambina izany dia mety hitarika fahasarotana aoriana kely ao.
Ny tena tsara hatrany dia manantona mpitsabo.
Horesahantsika manaraka ny momba ny « eczéma » na tandimerina. « Mirary fahasalamana ary e ! »
Dokotera Onisoa Rindra RALIDERA
0331155789
(1) lelo be fotsy sy matsora
(2) mila fantarina manko ny « allergène », ny antony ary dia miankina amin'izay ny fitsaboana




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay ny namoizana ny malalanay,
Ny zoma 30 Mey 2008.
Hoy
Ny Vadiny :
Nathalie RADAVIDRA RAMASINAIVO
Ny Zanany :
Mialy RAMASINAIVO
Josoa RAMASINAIVO
Ny Reniny :
Olga RAMASINAIVO
Ny Renibeny :
Pélagie RAZANABAHOAKA
NY Rafozany :
Jacky sy Mamy RADAVIDRA
Ny Iray tampo aminy :
Serge sy Voahangy RAKOTOMAVO
Hery Tiana RAMASINAIVO
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Didier sy Laure RADAVIDRA
Thierry sy Sarah RADAVIDRA
Mbolatiana RADAVIDRA
Ny Havany sy ny Fianakaviana manontolo
Ny Fiangonana Aumônerie Protestante Befelatanana Betlehema vaovao
Ny Fiangonana FJKM Ambohimarina Faharetana
Ny Fiangonana FJKM Ambohitrombihavana
Ny Fiangonana FJKM Manandrina Lovasoa Avaradrano
Ny Fokontany Mahatony Ivandry
Ny Fokontany Ambohitrombihavana
Ny Fokontany Ambodivoanjo Ivandry
Ny nofony dia entina miala ao amin'ny Villa « Erilynn » Mahatony Ivandry ny Alatsinainy 2 jona 2008 amin'ny 12 ora sy sasany ka ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Aumônerie Protestante Befelatanana Betlehema Vaovao alohan'ny hanaterana azy any amin'ny fasan-drazany eny Ambohitrombihavana.
« Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao ».
(Jeremia 33, 3)




Ho lany andro isika
Iza no taloha, ny ONG sa ny MAP ? Iza no mahalala kokoa ny zava-misy sy ny olana any ifotony ? Ireto mpitondra vao voatendry vao haingana sa ireo olom-boatendry sy voafidy vao haingana ? Sa ireo vondrona ifotony na ONG niara-niasa tany anaty ravinkazo tany niaraka tamin'ireo mponina any ?
Ny MAP izao no malaza. Teo aloha dia ny Boky Mena. Natao tsianjery mihitsy. Ankehitriny ary, izay mpitondra tsy mahalala sy tsy mitanisa imasombahoaka ny « engagement » faha izao na izao dia toa mampiahiahy na sadasada. Hatrany amin'ny distrika any dia io MAP io no toa fanerena hampitàna na hampakantoavana ny vahoaka ny teny midina. Avy any amin'ny làlam-pirenena faharoa sy fahaefatra amby efapolo sy ny manodidina, ary avy amin'izany kaomina atao hoe Fasintsara izany, any akaikin'Ifanadiana, faritra Vatovavy Fitovinany, dia maro ireo fitarainana sy antso amin'ny mpitondra fa toa ity MAP ity no biby fampitahorana. Ny fihetsika hafahafa dia tsy adinon'ireo olona mitaraina.
Fa ny tena mampieritreritra dia ireto fitenin'ny mpitondra sasantsasany. Rehefa nihaona tamin'ireo « ONG » sy fiarahamonim-pirenena tany ifotony izy ireo ka tsy nitovy ny fijery sy ny hevitra dia vitany ny nilaza tsotra izao fa mbola malalaka ny any Ambalatavoahangy sy ny any Antanimora.
Ny teny tahaka izany dia tonga tany an-tsain'ireo mpahalala ka ny fahendren'izy ireo no nanosika azy ireo hiataka tsikelikely fa sao dia tanteraka tokoa izany « vava tsy ambina » na ramatahora izany. Hiandry ireo mpanentana sy mpikatroka ifotony. Tsy hanao hafa tsy izay fara-fahakeliny izy ireny mandra-pahatonian'izany hasiahana izany. Rahoviana anefa ?
Marina tokoa fa ny mpitondra dia hifandimby, na voatendry izy na voafidy, fa ny vondrona ifotony sy ny vahoaka dia mitoetra ary tsy azo ialana. Ny fihetsika ramatahora sy fiteny tsy ambina toa ireny dia mampialangalana ary mandany andro. Sa izany no tanjona mba hahafahana manao ny danin'ny kibo ?




Finoana arahin'asa
Mila finoana ny zava-drehetra. Isan'ny teny famerimberin'ny filoha Ravalomanana io. Mbola nohamafisiny raha nijoro ho vavolombelona ny tenany nandritra ny fotoam-bavaka teny Faravohitra ny alahady lasa teo. Mikasika ny fiaramanidina Force one niainga tany Japon izay nahitana olana ara-teknika, sy ny fidinana tetsy Ivato nefa nisy zavona be ka saika nahodina tany Ambalamanasy Toamasina ny fiaramanidina. Nanome baiko ny mpanamory aho ny hidinany etsy Ivato, ary tody soaman-tsara. Izay no hilaina ny finoana.
Toa miantso ny vahoaka Malagasy hanana finoana hatrany amin'ny asa izay atao. Tsy vitan'ny minoa fotsiny fa tsy maintsy misy ezaka atao. Tsy azo lavina fa kely finoana ny ankamaroan'ny vahoaka Malagasy, noho ireo fampanantenana lava natao taminy. Ny hita anefa, dia ny kely teo ampela-tanany indray no nanimbinana. Misy aza ny fongana tanteraka. Toa tsy hita fototra ilay teny mamy tany aloha hoe eto miakatra ity firenena ity. Toy izany koa ny filazana fa hampanana ny mbola tsy manana, ary tsy haka ny efa manana. Izay tokoa ve no zava-misy ankehitriny ? Toa tsy maharesy lahatra ny maro intsony ny fampanantenana atao aminy. Ny vary ho harapany anio aza tsy hitany, ka ampitso inona no antenainy hamirapiratra ? Tsy ho gaga isika raha maro no miasa tsy vokatry ny fony intsony, satria na dia mitsemboka toy ny inona aza izy, dia ny sarotra omaly mbola mafy noho ny anio. Nefa izany ve no hanariana toky ?




Baolina kitra Malagasy
Hifantoka etsy Mahamasina indray ny mpijery
Omaly no nigadona teto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena Malagasy. Ny taranja baolina kitra io, rehefa avy nanao ady sahala tamin'ny Botswana ny sabotsy teo. Tsy nahataitra ny maro ny fandrenesana io ady sahala io, satria heno fa nanjakan'ny mpampian-trano tanteraka ny kianja nandritra ny lalao mandroso. Misy tombony ho antsika ny lalao miverina, saingy mila hamafisina haingana ny teknika sy ny fahaiza-miaraka eny ambony kianja. Omena fanampiana Ar 400.000 isan'olona ireto mpilalao ireto tamin'iny ady sahala iny, ary raha mandresy, dia mitombo hatrany ny vola. Fa naninona no tsy natao hatramin'izay izao fanohanana izao ? Ny alahady ho avy izao, dia hifantoka tanteraka etsy amin'ny kianjaben'ny Mahamasina ny sain'ny mpitia baolina kitra. Hihaona amin-dry zareo Ivorianina isika tafiditra ao anatin'ny CAN sy Mondialy 2012. Taorian'ny fahatongavan'ny Barea ireto dia hiakatra etsy Mahamasina izy ireo hanazatra tena.




Apokalypsy
Nangorom-potsy Atsavatsava
Lanonana dimy sosona no niainan'ny mpino Apokalypsy, ny sabotsy lasa teo, teny Atsavatsava- Itaosy, toerana hanorenany ny trano fiangonany, raha toa ka azo soa aman-tsara ny fanomezan-dàlana avy any amin'ny fanjakana.
Teo aloha ny fanosorana ireo loholona 200, dia ny diakona 700, izay samy efa nahatratra ny faha fito taonany ny fikambanana tsirairay. Noraisin-tànana sy no tsofin-drano ihany koa ireo misionera 23 mirahalahy, handeha hamaky lay ny fitoriana ny Soratra masina manerana ny Nosy. Ankoatra izay, fitaovana iray lehibe ampiasain'ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara (FAM) ny onjampeo Feon'ny Apokalypsy izay namarana amim-pomba ofisialy tamin'io andro io ihany ny fankalazana ny folo taona nisiany. Ary farany, nisokatra ny alahady 1 jona ny fampianarana ny Boky Apokalypsy ao amin'ny RAF ihany, isan'andro.
Mpino 500.000
Nangorompotsy mihitsy Atsavatsava. Nahitana solontena avokoa ny faritra rehetra efa iorenan'ny FAM eto Madagasikara, ankoatra ny eto an-drenivohitra. Mahatratra 500.000 ny mpino, raha tsy resahana ny any Frantsa, nanomboka ny taona 2005 niorenany.
Araka ny rafitra mifehy ny Fikambanana, dia ireo misionera 12 tany am-piandohana no lasa evanjelistra amin'izao fotoana izao. Hanaraka fiofanana valo volana ireo misionera, fa ireo evanjelistra kosa no ho lasa pasitera atsy ho atsy. Efa misy rahateo mpiomana ho misionera 24 manomboka ny fampianarana. Marihana fa miodina tsy misy famatsiana avy any ivelan'ny fikambanana ny FAM ary ny pasitera Mailhol no filohany.




Kaominina Ambohimalaza Miray
Ho vitaina ny sekoly sy fampidiran-jiro
Izay nampanantenaina tsy maintsy vitaina. Hiroso amin'ny fifaninanana masina ny kaominina hiadidiako, hoy ny ben'ny tanàna Ramanantsoa Mbola, satria asa ilain'ny vahoaka no atao. Apetraka ny sekoly lehibe, ary hampidirina ny jiro amin'ireo fokontany mbola tsy nahazo izany. 12 ny fokontany eny amin'ity kaominina ity, ary mbola misy 7 no tsy nahazo hazavana. Tao anatin'ny enim-bolana voalohany izay, dia efa vita ny trano famakiam-boky, nohatsaraina ny biraon'ny kaominina, ary misy ny trano ahafahana mifanerasera amin'ny maro.
Manana ny mampiavaka azy ity kaominina ity, ary mila tandrovina izany. Tsy ho atao ambanin-javatra ny fankalazana ny fetim-pirenena, ary manomboka androany dia efa mametaka ny sainam-pirenena isam-baravarana ny vahoaka. Hisy araky izany fety be eo an-tanàna manomboka ny datin'ny 23 ka hatramin'ny 26 jiona izao. Tsy maintsy azonay ny voalohany amin'ny asa fampandrosoana hoy ity ben'ny tanàna ity.




Aiza avy ireo làlana nambara fa vita ?
Ao anatin'ny tatitra tanteraka ny Governemanta. Misosa tsara koa etsy ankilany ireo hambara ho asa vita, raha raisina amin'io ny taona 2007. Mahatratra 1 382Km ny làlam-pirenena vita raha iny taona lasa iny, ary tao anatin'io ny narenina, raha 1.229Km no nokasaina ho atao.
Ezaka lehibe io raha atao indray mijery.
Faly ny marobe mandre izany, fa ny tsara ho fantatra, dia ny hoe : aiza ireo làlana vita ireo ? Mba hitan'ny vahoaka ve izany ezaka lehibe vitan'ny Governemanta sy ny fitondram-panjakana izany ? Ny tsapa mantsy, dia an'arivony kilometatra isan-taona no hambara ho vita, nefa raha vao mivoaka amin'ny faritra kely fotsiny, dia sahirana amin'ny tsy fisian'ny làlana, na ny haratsiny. Raha tsapan'ny vahoaka io, dia adalan'izay tsy mahay mankasitraka. Zary efa mankadilo ny maro mantsy ny fandrenesana tatitra isan-taona izao, nefa toa ny omaly tsy miova no hita isaky ny faritra.




Antsirabe II * Fiara nirehitra
Kila tanteraka ny mpamily
Olona iray no maty, iray hafa miady amin'ny fahafatesana ary ny iray farany kosa afaka tsy naninona. Io no vokatry ny firehetan'ny fiara iray 405 berline tany Ambano Antsirabe ny alin'ny alatsinainy 02 jona teo. Avy aty Antsirabe ity fiara ity ary olona telo lahy no tao anatiny. Rehefa tonga tany Ambano ; teo anoloan'ny tranon'ny kaominina iny indrindra ; dia nijanona ilay fiara nikasa hampidina lasantsy ; alina moa ny andro ka nampiasa labozia nitsilovana : teo indrindra no niseho ny loza satria nirehitra avy hatrany tamin'ny lelafo avy amin'ilay labozia ilay fiara.
Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay olona iray tsy maty. Mila mitandrina ihany amin'ny trangan-javatra toa izao satria tena tonga amin'ilay fitenenana hoe ny patsa iray tsy omby vava izy telolahy ireto.




Fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato
Ahavitana 35 000 Logements ho an'ny Malagasy
Tsara ny tetika fa ny fanitarana seranam-piaramanidina ve no maika ? Toa niverimberina tao ambavan'ny maro io tao ho ao. Tsy azo omentsiny ny olona, satria vola be no ho laniana amin'izany.
Raha 1 200 tapitrisa dolara no hanitarana ity seranam-piaramanidina ity, dia ahavitana trano 35 000 isa ho an'ny Malagasy io. Tsy Villa kosa aloha fa trano manara-penitra azo hiainana tsara. Ny mompera Pedro aza tsy nanana vola be nahavita ireo trano mameno tendrombohitra etsy Ambohimahitsy.
Tsy sanatria manina ny tetikasan'ny amiraly, nefa kosa raha raisina amin'ny sainy tsy miangatra, dia ny fanomezana trano fonenana ho an'ny vahoaka ao amin'ny firenena iray no tena hitarafana ny fandrosoana. Azo hampanofaina ny trano fa atao amin'ny hofany mora, ary hiverina ny volam-panjakana, ary ahafahana manangana hafa indray.
Ny fanampiana eo amin'ny lafiny ara-bary kosa, dia tsara raha vatsiana fitaovana toy ny trakitera sy masom-boly ny tantsaha, ary manao « opération » fambolem-bary isan-taona hiadiana amin'ny mosary.
Tsy ho vonjin-tavan'andro io fa aharitra. Famahana olana mipetraka mandritra ny taona io, ary azo antoka fa hampihena ny mety ho fidangan'ny vidim-bary. Omena sehatra ihany koa ny mpandraharaha hanafatra entana toy ny menaka, ary azo antoka fa hihena ao anatin'ny fotoana fohy ity menaka ity. Samy ahazo ny anjarany ny rehetra, ary hangina ny vavan'ny mpanaratsy rehefa mahazo sakafo sy trano fonenana mifanahaka amin'ny vanim-potoana ankehitriny ny vahoaka ao aminy. Sa ny fampitahana amin'ny seranam-piaramanidina any ivelany no tsy maintsy himasoana ?




Ny vadiny :
Ramatoa Nathalie RADAVIDRA RAMASINAIVO
Ny zanany :
RAMASINAIVO Mialy
RAMASINAIVO Josoa
Ny reniny :
RAMASINAIVO Olga
Ny rafozany :
Jacky RADAVIDRA mivady
Ny iray tampo aminy
Ny iray, tampo amin'ny vadiny
Ary ny fianakaviana manontolo ,
dia maneho fisaorana sy fankatelemana feno ho an'ireo rehetra tonga nidodododo nampahery sy nampionona azy ireo, tamin'ny fahalasanan'ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy ary miala tsiny amin'ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Mahantra ambony harena
Nosy maitso, nosy mavana, ary nosy manan-karena. Io no hiantsoan'ny vahiny ity Madagasikara misy antsika ity. Firenena manana ny maha izy azy, saingy toa tsy haintsika ny mampiasa ireo harena nomen-janahary antsika.
Inona no harena tsy hita eto ? Ny solika aza efa miboiboika avy any ambanin'ny tany, saingy ny vahiny no mahazo vahana amin'izany. Toy izany koa ireo harena sesehena izay trandrahina ao Moramanga sy ao Ambatovy, ary Tolagnaro. Vola be no entin'ny vahiny mitrongy ireo harena ireo, nefa mby aiza ny vokany mipaka any amin'ny vahoaka tompon-tany ? Mihazakazaka mankany ivelany ny mpitondra antsika, izay mangataka izay voatsirambin'ny tanan'ny mpamatsy vola ivelany. Aratiranty etsy sy eroa ny MAP mba hisintomana ny vahiny hampiasa vola eto Madagasikara. Misy ny tonga, ary mbola maro ny misalasala. Ny fampandrosoana anefa tsy hiandrasantsika vahiny avy any ivelany, fa miankina amin'ny fahavononantsika Malagasy ny amin'io. Tsy hisy firenena na olona hihevitra fa andeha hampanan-karena firenena iray na olona iray eto ambonin'ny tany, fa ny tombontsoany aloha vao ny anao. Matoa mitrandraka ny harentsika izy ireny, dia ny hampanan-karena ny orin'asany na ny fireneny no tanjony. Koa nahoana no avela ny hafa ny hanjaka amin'ny harentsika ? Mahantra ambony harena isika, satria tsy haintsika ny mamadika ireo harena ireo ho tombontsoam-bahoaka. Moa ve mba afaka mitrandraka ny haren'ireo firenena ireo any amin'ny taniny isika eto Madagasikara ? Miditra any aminy aza mbola sarotra ny fakana taratasy, nefa ny harentsika robainy toa tsy mahasarotiny antsika. Avereno ny firaisan-kina toy ny tamin'ny andron'Andrianampoinimerina, ka na tsy nanana BAC aza izy nahavita ny lemaky Betsimitatatra, izay tsy nilana fanampiana avy any ivelany. Atambaro ny hery, ary izay mahavita omeo sehatra fa tsy sanatria hanjakan'ny resaka politika lava ny tontolo manodidina, ka tsy hita taratra ny anjara andraikitry ny tsirairay.




Rafitra tetezamita
Mbola manantena i Zafy Albert
Alefa mitety faritra ny iraka avy aty amin'ny CRN hijery farany ny tohin'ny trakita izay naparitaka tao ho ao. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert omaly teny Ivandry. Ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita, dia fepetra tsy tokony hiodivirana. Io no hany làlana hirosoana miala amin'ny krizy eto amin'ny firenena. Notsindriany manokana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny, izay toa tsy voavahan'ny mpitondra ankehitriny. Toa ny haitraitra no maha-maika azy ireo, fa tsy ny fampandrosoana hoy ihany ny CRN. Midika ireo fa tsy maharesy lahatra ny CRN ny hambara ho ezaka ataon'ny fanjakana ankehitriny.




Ramakavelo sy ny fanehoan-keviny
Miray feo amin'i Herizo Razafimahaleo
Vonjeo ny vahoaka, ary aoka izay ny fandaniana be loatra. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Jeneraly Ramakavelo.
Raha misy ny vola atobaka any amin'ny fanitarana ny seranantsambo ao Toamasina sy ny etsy Ivato, nahoana raha ny resaka sosialy no hampiasana fandaniana ara-bola satria io no miantoka ny fiainan'ny mponina andavan'andro ? Miray feo amin'ingahy Herizo Razafimahaleo ihany koa ingahy Ramakavelo ny tokony hanafoanana ny fanaovana ilay fivoriana ho atao eto ny taona 2009 iny.
Filoham-pirenena no raisina, nefa hatraiza ny fahavitan'ny foto-drafitrasa handraisana azy ireo ? Tsy mahamenatra antsika ny manafoana io, mba tsy hitondra henatra ho an'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.




Tetikasan-dRavalomanana
Nitsiry ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika
Raha ny fahantrana no tsy hanaovana asa dia tavela eto isika. Ny fametrahana asa mivaingana eto amin'ny firenena no taratry ny fandrosoana, ary isan'ny ankasitrahako ny tetiky ny filoha Ravalomanana amin'ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina sy ny seranam-piaramanidina etsy Ivato.
Fanehoan-kevitra nentin'ny depiote tao Moramanga teo aloha, Henri Charles Randriamahefa io. Omeo hery ity filoha ity hahafahany mitady lalam-bola entina hampandrosoana ny firenena. Tsy ny tsikera lava izao no hahavitana ny asa. Ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra andro aman'alina. Dia izay ve no hampiatoana ny asa, hoy ihany ity olom-boafidy teo aloha ity. Mankasitraka ny hanaovana ny fivoriana an-tampon'ny Afrika izay atao eto Madagasikara ny volana jolay 2009 ihany koa ny lehilahy. Làlana iray hisokafan'ny Madagasikara amin'ny sehatra maro samy hafa io. Hifantoka aty Madagasikara ny mason'ny firenena eran-tany, ary tsy ho vitsy ireo mpandraharaha roboka amin'ny fiaraha-miasa izay ho atao aminy.




kamo be tenda
Tsy nitsangatsangana fa nitady vola. Io no tian'ny filoha Ravalomanana hampitaina amin'ny vahoaka malagasy omaly raha vao nigadona indray teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany. Vola mitentina 27 tapitrisa dolara no nambara fa azo, entina hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafo.
Tsy misy andraso andraso intsony izao, fa tonga dia vavany amin'ny lahasa izay atao. Novoriny maika ny ministra rehetra omaly, nanomezany ny toro-marika tokony ho atao. Hiditra amin'ny fanaovana voly avotra isika hamonjena ny olona sahirana eo amin'ny fivelomanana. Nalaza indray tao ho ao ity hambara fa krizy maneran-tany momba ny sakafo ity, ka isan'ireo firenena 22 ho tratran'io i Madagasikara. Fisoroana mialoha no atao ; ary isan'ny antony lehibe nanampian'ny mpamatsy vola mahazatra antsika ny tokony hisoroana izany fahavoazana izany. Raha atao indray mijery ity tsy fahampian-tsakafo ity, dia efa ela ny malagasy no tsy ampy sakafo. Firy no efa mitaraina fa zara raha mahita vary ho arapaka isan'andro. Ny any ambanivolo rehetra any aza dia efa indray mandeha isan-kerinandro vao mahita izany sosoa be ranony izany, satria tsy takatry ny fahefa-mividy ny kapoakam-bary. Ny hita anefa dia ny fitanisana hatrany ny tarehi-marika amin'ny fitombon'ny harin-karena no nimatesan-tsika andro aman'alina.
Izao ve ao mahatsapa isika fa mikiky eto amin'ny firenena ny fahantrana ? Izay ilay tokony hipetrahan'ny fihainoana ny feom-bahoaka. Tonga Ravalo nitondra vola. Hiroso ny asa amin'ny fambolena. Tsy hilana fangataham-bola lava any ivelany ny fanaovana voly avotra, satria ampy tsara hamokarana ny toe-trandro eto Madagasikara. Ny fahazotoana sisa angaha no tsy ampy, nefa ho hitan'ny havany eo, izay olona miniha ho kamo be tenda eo.




Ambatondrazaka * mosavy « Vola mafana »
Nivonto teo no ho eo ny tanan'ilay mpanangom-bokatra
Lehilahy iray mbola tanora, mpandraharaha amin'ny fanangonam-bokatra no tratry ny hasomparan'ny mpiara-miasa aminy ka potika noho ny resa-bola ar 1 hetsy monja. Nasian'olona tamin'ny famosaviana antsoina hoe « Vola mafana » ka saika nanaraka hatramin'ny aina.
Araka ny fanaon'ity mpandraharaha tanora ity dia manangom-bary any amin'ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany isaky ny fotoana fiakaran'ny vokatra tahaka izao. Misy ny namany amin'ity asa ity, monina any Ambatondrazaka ka nindrana vola ar 1 hetsy taminy tamin'ny fanangonam-bary niarahany farany. Amin'izao taom-panangonana vokatra manaraka izao anefa vao nitaky ilay vola ny tompony. Toa tsy nisy lonilony ny famerenana ilay vola, saingy vao nandray ilay vola ar 1 hetsy ity tovolahy dia nivontovonto avy hatrany ny tanany nandray ilay vola, ary nanenika ny tenany.
Tsy afa-niasa intsony ranamana fa voatery nolaniana nitsaboana tena tany Ambatondrazaka ny vola nokasaina nanangonam-bary.
Soa ihany fa maro ny olona mahalala ity famosaviana ity, sady betsaka koa ny mpitsabo . Na izany aza dia tsy niverina amin'ny laoniny intsony ny endrik'ity tovolahy ity fa lasa nikainkona.
Marihana fa tamin'ny fanombohan'ny fanangonam-bokatra amin'ity taona ity no nisehoan'ny tantara.
Aretina efa nisy taloha
Ankehitriny dia manontany tena avokoa ireo mponina ao Ambatondrazaka satria raha ny « ambalavelona » no nampalaza ity faritra ity, dia efa foana hatramin'ny ela izany, ary efa miroso amin'ny fivavahana ny ankamaroan'ny olona.
Ity aretina famosaviana mivantana ity kosa dia toa efa nialan'ny mponina ihany koa, raha nalaza nanarakaraka ny ambalavelona.
« Vola mafana » no anaran'ny aretina. Mbola any amin'ity faritra ity ihany no nisian'ny famosaviana amin'ny alalan'ny vola, saingy efa ela no tsy nisy nampiasa intsony.
Tsy azo noraisina ny vola hita eny an-dàlana eny. Araka ny tsilian-tsofina tamin'izany fotoana izany mantsy dia maty ny olona voakendry handray izany.
Midika izany fa mbola misy ny asan'ny maizina ka mamorika sy mandatsaka ain'olona mihitsy. Fantatry ny olona rehetra moa ity nahavanon-doza, saingy toa mampihorohoro ny manodidina ny fahasahiany. Araka ny vaovao azo ihany, dia toa mody tsy taitra ny lehilahy ary tsy ampoizina hamorika ampahibemaso toy izao.




Mpitarika sarety
Ampiharin'ny polisim-pirenena ny lalàna
« Tsy fidiny anay ny hitarika sarety, sady faralahin'asa rahateo » : izay no fitenin'ireo mpitarika sarety. Efa noterena hanolo ny kodiaran'ny sarety ho kodiarana fiara tokoa ireto mpitrongy vao homana ireto. Mafy ny nanjo azy ireo tamin'izany satria tsy maintsy nividy kodiarana lafo. Ankehitriny dia tsy mahazo miseho masoandro fa amin'ny 6 ora hariva vao mahazo miasa.
« Inona no asa ataonay amin'ny alina eo ? » hoy ihany ireo mpitarika sarety. Ny mpanjifa tokoa aloha tsy handefa ny entany amin'ny alina noho ny fandriampahalemana.
Mbola ny polisim-pirenena ihany koa no nisakana ireo sarety sy posy mandeha an-dalambe amin'ny andro antoandro.
Roa andro izay no niasan'izy ireo teny Anosibe, toerana tena fiasan'ny sarety sy ny posy. Voasakana teo anoloan'ny farmasia Volahanta ireo sarety marobe nitondra entana. Polisy maromaro no nandray ny andraikitra ka na teo aza ny fahakivian'ireo mpikarama, dia tsy afa-nanoatra fa dia niharan'ny sazy. Somary mahatsikaiky satria toa asan'ny polisy kaominaly ireny. Notaritin'ny polisy ho any Anosipatrana sy Antsakaviro ireo sarety ka nahavariana ny mpandalo.
Sarety am-polony no nasaina nandoa ar 600 isan'andro nandritra ny fotoana nitazonana azy.
Aiza ny polisy kaominaly ?
Mirotsaka an-tsehatra amin'ny fanadiovana ny tanànan'Antananarivo ny polisim-pirenena, izay fantatra fa fiaraha-miasa amin'ny kaominina. Nandritra ny andro maromaro izay no nampiharana ny lalàna mahakasika ny fifamoivoizana ka saika voakasika avokoa ireo lalàna efa napetraka, toy ny fanaovana aroloha, raha mitondra moto, asiana jiro ny bisikileta, foanana ny fampiasana finday rehefa mitondra fiara sns... Fa tsy dia voaresaka kosa aloha ny fitaratra miloko amin'ny fiara e ! Betsaka ireo tsy nanara-dalàna ka minainaina, indrindra ny moto sy ny bisikileta. Nosaziana izy ireny ka notànana ny fananany mandrampaha-ara-dalàna azy.




Fivoriana antampony aty Afrika
Kanosa izay olona mitaky ny hanemotra io hoy Ravalo
Tsy hiemotra amin'ny fanapahan-kevitra noraisiko aho. Io no setrin'ny fitakiana nataon'ny mpanohitra maromaro, izay nilaza fa tokony ahemotra ny fivoriana ataon'ireo filoham-panjakana aty amintsika ny volana jolay taona 2009 izao. Ny fahatongavan'ny vahiny tahaka izao no hahafahana manangana fotodrafitr'asa maro ho an'ny firenena. Noraisiny ohatra tamin'izany ny fihazakazaky ny firenena ny hanaovana ny mondialy eo amin'ny baolina kitra ao aminy. Ny mpandraharaha manao ny trano efa vonona ary toy izany koa ny fanjakana. Tsy maintsy tanteraka eto amintsika io hoy Ravalo omaly teny Ivato. Ny mpanohitra tsy misy asa afa-tsy ny mitsikera, ary inona raha teo no maha-mpanohitra azy raha tsy haneho ny heviny ? Voakitika hatrany amin'ny orinasan'ny mpanao politika iray izay naneho io hevitra io voalohany omaly raha namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety izy.




Hoy ny Vadiny, ny Zanaka Aman-jafiny ary
Ny Fianakaviana manontolo
Hisy Fotoam-pivavahana ho Fahatsiarovana Azy manomboka ny Alahady 08 jona ka hatramin'ny 28 jona 2008 isa-maraina amin'ny 6 ora ao amin'ny EKAR Md Josefa Mahamasina.
« Mitadiava fihavanana amin'ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana ».
Andriamanitry ny fiadanana anie hitahy antsika mandrakariva !




Ny vadiny :
Ramatoa Nathalie RADAVIDRA RAMASINAIVO
Ny zanany :
RAMASINAIVO Mialy
RAMASINAIVO Josoa
Ny reniny :
RAMASINAIVO Olga
Ny rafozany :
Jacky RADAVIDRA mivady
Ny iray tampo aminy
Ny iray, tampo amin'ny vadiny
Ary ny fianakaviana manontolo ,
dia maneho fisaorana sy fankatelemana feno ho an'ireo rehetra tonga nidodododo nampahery sy nampionona azy ireo, tamin'ny fahalasanan'ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy ary miala tsiny amin'ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Croix-Rouge Malagasy
Le statut sera amendé
Des changements au sein de la Croix Rouge Malagasy (CRM). Les membres du comité national se sont réunis à Ambohimanambola depuis lundi dernier jusqu'à ce jour pour discuter en profondeur des amendements à apporter dans le statut et le règlement intérieur de cette association. Après cette réunion, les amendement seront envoyés au Comité International de la Croix-Rouge (CICR) et la FICR pour approbation avant d'être adopté par l'Assemblée générale, la plus haute autorité de la Croix-Rouge Malagasy.
Le processus a débuté le 3 avril dernier, date de la première réunion. Pour mener à bien cet amendement, les participants à ladite réunion se sont référés aux lignes directrices de la de FICR (Fédération internationale de la Croix Rouge) et aux sept principes du Mouvement. L'actuel statut de la CRM date du mois d'août 2006.
Recueilli par Herimanda R.




Lesona azo raisina
Vory ny vahoaka teo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena omaly tontolo ny andro. Nanjaka ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina teo amin'ny rehetra. Resy ny tsy fitovian-kevitra samy hafa. Nanomboka ny maraina, nandritra ny hazakazaka niainga tetsy Anosy nifarana teny Alarobia. Nitohy tamin'ny lalao baolina kitra tetsy Mahamasina, dia niray feo ny Malagasy nanambatra ny hery hampiakatra avo ny fanatanjahan-tena Malagasy.
Niray hina ny hevitra tsy nitovy teo amin'ny lafiny fiainam-pirenena, fa dia niaraka nihazakazaka ny maraina, ary niray toerana indray nanohana ny Barean'i Madagasikara ny hariva. Tomefy olona izay nolalovana, ary hita fa samy niaro ny vonahitry i Madagasikara ny rehetra. Haintsika ny manohana eo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena koa nahoana no tsy haintsika ihany koa ny manambatra ny hery hiadiana amin'ny fahantrana ? Rehefa tafita toy ireny ny firaisan-tsaina dia hay ny mandresy ny sarotra. Mitabe tsy lanin'ny tsy fahampian-tsakafo, koa atodiho any amin'ny tena fampandrosoana ny herintsika rehetra tsy ahitana fizarazarana, fa ho mora ny hanarina ity Madagasikara ity.




Fandraharahana
« Ho rakotray Itasy manontolo »
« Fanohizana ny asam-bahoaka, ho an'ny vahoaka ». Mandalo ny olana ara-tsakafo izao tontolo izao, ary isan'izany i Madagasikara. « Tsy mbola hita loatra ny fiantraikan'izany eto amintsika, hoy ny depiote voafidy any Soavinandriana, Randriatolojanahary Roger. Na izany aza, ilaina ny fiomanana sy manatsara ny vokatra mba tsy ho tampoka ny fahatongavany ».
Mpandraharaha ihany koa ny solombavambahoaka, ary vonona ny hiasa ho an'ny vahoaka hatrany. « Politikam-panjakana ny fitadiavana karazan-tsakafo hafa, mba tsy hianteherana loatra amin'ny vary. Isan'izany ny mofo. » Herinandro izao no nisokatra ny orinasa fanaova-mofo voalohany ao amin'ny Faritra Itasy, izay ahitana mponina miisa 1.500.000. « Nifanandrify indrindra tamin'ny Tsenaben'i Soavinandriana « Fanamby » ny fisokafanay, hoy Randriatolojanahary Roger, ka nahamora ny fahafantaran'ny vahoaka fa manomboka izao dia azony antoka ny fahitana mofo isan'andro ». Na izany aza, mbola tsy maharaka aloha ny vokatra, na dia mofo 3.000 isan'andro aza no vita.
« Mbola ho an'ny tanànan'i Soavinandriana no nanombohana azy, fa ho rakotray atsy ho atsy ny Faritra manontolo. » Toy ny any Ampefy, Analavory, Arivonimamo ary Miarinarivo. « Niezaka ihany koa izahay ny tsy iantehatra amin'ny Jirama, satria dia manana « groupe » iasana raha sanatria ka misy ny delestazy ».
Nangonin'i R. Volana A.




Soavinandriana
« Mba tsinjovy ny Ben'ny tanàna »
« Ny asa sy andraikitra mitombo, kanefa ny karama tsy manaraka izay. » Manao antso amin'ny tompon'andraikitra sy manampahefana ny ben'ny tanàna ao amin'ny kaominina ambonivohitra Soavinandriana, Randrianasolo Solofomahatratra. « Azo sokajiana ho asa masina ny asan'ny ben'ny tanàna, hoy izy. Fahefana mpanatanteraka manakaiky indrindra ny vahoaka izy, ary ireo kabarin'ny filoham-pirenena sy ny fiofanana teny Iavoloha indroa miatoana dia manamafy ny asa sahaniny izay iankinan'ny fiainam-bahoaka andavanandro. Tsy mahavelom-bady aman-janaka anefa ny karama raisiny ».
Ialana ny kolikoly
Kitro ifaharan'ny ady amin'ny kolikoly ny asam-bahoaka. « Toy izany ny ao amin'ny kaominina. Tsara raha jerena ny momba ireo ben'ny tanàna. Tsy sanatria mamporisika azy ireo hangalatra na hanao fihetsika tsy mety, fa aoka tsy omena fakam-panahy izy ireo. « Toy ny Malagasy maro an'isa, dia misy ben'ny tanàna manan-janaka efatra, hatramin'ny enina aza. Ny vola raisiny tsy hahafahany sady manatontosa antsakany sy andavany ny asany no hamelomany ny ankohonany, satria tsy mandray Ar 200.000 isam-bolana akory izy ireo (sokajy faharoa) ».




Ny fahasalamanao
Ny « eczéma »
Araky ny nampanantenaina tamin'ny heriny dia hiresaka momba ny « eczéma » indray isika.
Ny « eczéma » dia anisan'ireo aretina azo avy amin'ny « allergie » koa. Izy ity dia aretin-koditra mangidihidy sy mivoara mibotsibotsina, mitera-drano avy eo ary dia lasa maina sy miofaka be dia be ny faritra eo amin'ny vatana mety ahitana azy io, ohatra tarehy, tanana, « oho », molotra na manodidina azy, taovam-pananahana aty ivelany...
Misy karazany 2 io aretin-koditra io !
« Eczéma de contact » na koa miseho rehefa misy ny fifampikasohan'ny hoditra amin'ny « allergies » ohatra : latex, akora atao amin'ny volo, simenitra, vernis, solvants, loko, fanafody, sparadrap, akanjo, couche bébé sy ny maro tsy voatanisa ary ny fialàna tsy mikasoka an'ireo zavatra ireo no fisorohana azy.
« Eczéma atipique » kosa na hoe « dermatite atipique » dia tongatonga ho azy, tsy fantatra hoe nahoana. Amin'ny zazakely izy io no tena miseho matetika ka eo amin'ny tarehiny ankoatran'ny orony sy ny vavany ary mety mihitatra mankany amin'ny « plis de flexion » rehetra any. Rehefa mihanika ny faha valo volany ka hatramin'ny faha 3 taonany anefa ilay zaza dia mety hanjavona io aretina io ka tsy hiseho intsony nefa koa mety hitoetra foana. Mety hiaraka na hifandimby amin'ny « asthme » na sohika koa ny fisehony.
Ny an'ny olon-dehibe sy ny tanora kosa dia « plis » no tena lasibatr'ity aretina ity. Noho izany, mety hanimba hoditra sy hanelingelina ny fiainana tokoa ity aretina ity raha tsy mahatandrina sy mahazo fitsaboana tsara izay voany ; ka izao, fadio ny manosotra zavatra fahatany eo amin'ny hoditra izay isehoan'ny « eczéma » soa vao mainka hampidi-doza fa ny fanatonana mpitsabo no fanafody voalohany mba ho salama ny hoditrao na ny an'ny zanakao.
« Mirary soa daholo ary e »
Dokotera Onisoa Rindra Ralidera
(033 11 55 759)




Fianarantsoa * fanohanana an'i Pety Rakotoniaina
Hidina andalam-be ireo tanora
Ela ny ela, tapa-kevitra ny hanohana an'i Pety ireo tanora ao Fianarantsoa. Tsy handeha irery izy ireo fa hisy mpanao politika hiara-dalana aminy.
Fitakiana ny hamoahana an'i Pety no anton'io, araky ny vaovao fantatra, ary tsy hisy resaka fanonganam-panjakana. Efatra no antony, dia ny filazana fa antony Politika no nanagadrana an'i Pety Rakotoniaina. Voalaza fa raha resaka firaisana tsikombakomba no nanomezana azy sazy 10 taona, nefa ny olona nahafaty olona toa latsak'io ny saziny. Eo ihany koa ny fahitana, fa vao niala ho ben'ny tanàna izy dia maloto sy tsy hita taratra intsony ny tanàna ao Fianarantsoa. Tsy misy intsony ny fandriampahalemana ao Ikalamavony, satria izy no nampanjakana izany sy nampita ny fitandrona ny fandriampahalemana any an-toerana. Mialohan'ny datin'ny 26 Jiona izao no heno fa hanaovana ity hetsika ity. Tao anatin'ny nahatratrarana an'i Pety Rakotoniaina, ka nanagadrana azy, dia sambany izany izao vao nandrenesana hetsika ho fitakiana ny hamoahana azy. Hanaiky mora izany ve nefa ny mpitondra ao Fianarantsoa ?




Hevitra
Mbola mety ho tafarina ve isika ?
Manomboka anio dia harahanao eto ny vokatry ny fandinihana nataon'ny manampahaizana iray izay efa masoivohontsika tany ivelany tamin'ny fotoan'androny.
Andian-dahatsoratra mitohitohyy no ifanesy eto izany hanampy antsika amin'ny fandinihana ny fianam-pirenena. Mety misy mahatsiaro fa efa namaky azy taona vitsivitsy lasa izay saingy tamin'ny gazety hafa. Havoakan'i Madagascar Tribune ho anao indray izy ity rehefa nahazo ny alalana avy amin'ny mpanoratra. Marihina fa tamin'ny taona 1997, volana febroary no nanoratany azy ity.
Raha manaraka ny toe-draharaha nandritra ny taona maromaro isika dia tsy misy izay tsy mahatsapa fa mihazakazaka mihitsy ny fiovan'ny tontolo iainana na eto Madagasikara na any ivelany.
Mivava ny Firenena... Raha ny eto an-toerana no atao indray topimaso dia mivandravandra fa :
misy karazan'olona vitsivitsy lasa mpanefoefo tampoka ary miaina toy ireo mpanankarena any amin'ny tany mandroso rehetra. Azo lazaina fa raha Malagasy ny endriny dia tsy misy intsony ny maha-Malagasy azy na amin'ny fitondra tenany, na amin'ny fomba fisainany, ny fitaizana na ny fampianarana ny zanany eny fa na dia amin'ny fomba fiteniny aza. Ireo vitsy an'isa ireo (tsy mihoatra ny 10% ny mponina) no mitavana ny 45% ny fananam-pirenana ary ny vahiny no mitavana ny 45% ambiny , ny 10% eo ho eo izany sisa no anjaran'ny Malagasy miisa 14.000.000. Matetika dia mpiray tsikombakomba ny mpanana, tompon-tany, sy ireo vahiny satria moa ny vahiny no mampidi-bola ary ny tera-tany kosa ny manampahefana miaro azy ireo rehefa tsy ara-dalàna ny ataony. Ireo vahiny ihany koa no mamatsi-vola ny mpitondra rehefa tonga ny fifidianana, sns... Azo lazaina fa tafaray ny tia sy ny manina ary mifandray tendro ny harena sy ny fahefana. Ireo vitsy an-isa ireo no mampiasa ny fitaovana ari-fomba rehetra sy mampiroborobo ireo tranom-bahiny mivarotra fitaovana mifanaraka amin'ny toetr'andro.
Ny sarabambe-bahoaka kosa dia mizotra any amin'ny fivarotana « friperies » sy ny magazai-tsinoa ireny.
Ary raha dinihina dia tsy mahagaga raha miroborobo eto ny Sinoa satria mifanentana amin'ny fahantran'ny mponina ny entana amidiny. Mazava izany fa dia efa mizara roa mihitsy ny fiainan'ny tompontany ary dia mifanaraka amin'izany koa ny tolotra ho an'ny mpanjifa. Na eo amin'ny sehatra ny varotra aza dia mivava ny firenena.
Mbola hitohy




Nahazo aina
Rehefa tsy resy dia izay no zava-dehibe. Io no nanakoako tao ambavan'ny maro omaly momba ny lalao baolina kitra natao ny alahady lasa teo. Fihaonana izay nisarahana ady sahala tamin'i Cote d'Ivoire izay heverina fa mpilalao atahorana aty Afrika. Niezaka ny boay kely, ka ady sahala samy tsy nisy nitoko no hita tetsy Mahamasina.Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao malagasy, ka nahafaly ny maro, na dia hita aza fa mbola any amin'ny laharana faha-telo no misy antsika. Zatra ny nahita ny mpilalao malagasy resy lava amin'ny isa mavesatra ny maro, ka mba nitsiky kely rehefa tsy nahatafidiran'ny vahiny baolina intsony alohahatreto tao anaty harato.
Nahazo aina kely aloha hatreto ny mpitia baolina malagasy, ary hita fa maro no mihevitra fa hanamy betsaka na ara-moraly io na ara-bola. Izay no hilazana fa raha tsara ny fanohanana ara-pitaovana ireto ekipantsika ireto, dia ahita fahombiazana, fa raha ny mifanohitra amin'izay, dia ny faharesena lava no ho hitantsika.




Lalam-baovao Anosibe
Manjaka ny tsy ara-dalàna
Maro no efa tratran'ny mpitandro filaminana tamin'ny fanaovana ny rakim-peo sy rakitsary hosoka, saingy toa mbola maro no manao bizina ity herimpon'ny artista ity. Amidin'ny olona eny amoron-dalana ireo rakikira isankarazany. Amin'iny moron-dalana Anosibe iny no tena feno azy, maraina hatramin'ny hariva. Ifandrombahana ireo rakikira sy rakitsary an'ny artista malaza malagasy sy vahiny, ahitana an-dry Ndondolah sy Tahiry, Rossy, Melky, Rebika, Mahaleo sns... Raha tombanana dia saika ny rakikiran'ireo artista malaza amin'izao fotoana izao no miparitaka eny amoron-dalana eny, ary mbola anisan'izany ireo rakitsary, tantara malagasy. Ar 1000 hatramin'ny ar 1500 monja no vidin'ny kapila iray ka mifandrombaka ny mpividy. Vetivety anefa dia misy kapila marobe mitobaka indray.
Tsy mahagaga ny fisian'ny gaboraraka satria na ny polisy tokony hanala ireny mpivarotra amoron-dalana ireny aza dia tsy hita fa variana manenjika sarety sy posy. Na dia teo aza ireo olona sy fitaovana maro efa sarona dia azo antoka fa mbola misy tambazotra matanjaka mamatsy an'ireto ankizy mivarotra eto Anosibe ireto.
Etsy andaniny kosa dia toa mahazo vahana hatrany ny loka eo Anosibe eo. Manaporofo izany fa tsy misy mpandrara izy ireo. Eo avokoa ny « tourniqué », ny kodiakely, ny lôtô izay samy loka mamporisika ny ankizy hangalatra avokoa. Manampy trotraka moa ny fahasimban'ireo fotodrafitrasa izay manome endrika iny faritra iny.




Fanabeazana
Omen-danja ny zaza madinika
Manomboka any amin'ny mbola kely ny fanabeazana fa tsy miandry fotoana. Notokanana ny sabotsy lasa teo ny fanavaozana ny EPP ao Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitra Talatavolonondry, distrika Avaradrano.
Afaka mandray mpianatra 200 ankehitriny ny toerana, raha ohatra ka 83 ihany no afaka namonjy ny dabiliom-pianarana teo aloha. Efitra fianarana ahitana famakiam-boky, efitra manokana ho an'ny zaza madinika ary dabilio sy latabatra, boky ary toeram-pilalaovana no norafetina, niaraka tamin'ireo mpiara-miombona antoka Rotary Club Vovonana, ny fikambanana Madagascar Hilfe ary ny Holcim, nahavitana ny asa rehetra. Mitentina 33.000 euros ny tetikasa.
Ankoatra ny ao Ambatomitsangana, dia ny ao Ambohidrano Andrefana ihany no manana EPP mandray zaza madinika, anatin'ny CISCO Avaradrano. « Natao izao asa izao, hoy ny filohan'ny fikambanana Rotary Club Vovonana, mba hahafahan'ny ankizy mianatra anaty tontolo iainana mampisava ny sainy ka hidirany mora anatin'ny fiaraha-monina ».




Atrik'asa momba ny MAP
Miandry ny famindram-pon'ny mpamatsy vola
Tsy mitsahatra ny miketrika ny sain'ny mpitondra fanjakana mba ampahombiazana ny MAP. Vola 5 miliara dolara no ilaina ahafahana manatontosa ny MAP. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana omaly teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, raha nanao ny fikaonan-doha niarahana tamin'ireo mpamatsy vola ivelany. Tsy maintsynatao izay aharesy lahatra ny mpamatsy vola vahiny mba hanomezany io vola io. Lalana iray tsy azo hialana ny fanampian'ny mpamatsy vola, ka raha sanatria tsy hisy ny fanampiana, dia naman'ny mipetraka ho tetik'asa ihany ity MAP ity. Midika io fa eo ampelantanan'ny vahiny ny mety ho avin'ny fampandrosoana eto Madagasikara. Dimy taona ny faharetan'ny MAP, izay hametrahana ireo fanamby valo tsy maintsy ho tanterahina. Midika izao fangatahantsika amin'ny vahiny izao, fa mbola maizina ny ho avin'i Madagasikara, na dia firenena hambara fa manana ny hareny aza isika. Toa ny vahiny anefa no mahazo tombontsoa amin'ireo harena eto amintsika ireny. Dia hiandry ny famindram-pon'ny vahiny ve vao afaka handroso ny firenena Malagasy ? Hifarana anio ity atrik'asa etsy Iavoloha ity.




Moxe Ramandimbilahitra
Mametraka ny lanjan'ny teny Malagasy
Ny teny no maha-firenena ny firenena. Isan'ny notakian'ny Teza hatramin'izay ny fampiasana ny teny Malagasy ho isan'ny teny enti-mampianatra. Tsy midika io, fa tsy hampiasa ny fomba fiteny vahiny isika, fa omena lanja lehibe ny tenindrazana.
Isan'ny fitakiana ataon'ny loholona Moxe Ramandimbilahitra ny hamerenana ny kilasy mandry. Lalana iray lehibe manampy ny tanora eo amin'ny fianarany ny toy izany. Manana soson-kevitra ny teza, izay efa nalefa eny anivon'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena.
Mbola naverin'ny loholona moxe Ramandimbilahitra ihany koa ny filazany ny tokony hanaganana ny haute cour de justice. Io rafitra iray io no hitsara ireo mpitondra tsy maty manota. Hiezaka aho ny hikitika hatrany ny fanaganana izany. Tsy nankasitrahany kosa ny fanovana tandrametaka ny lalam-pifidianana. Mila fandinihana lalina izany, fa tsy isaky ny miova mpitondra dia hikitika ny lalam-pifidianana hatrany. Tao amin'ny aceem Radio ny alahady teo no namoahany ireo hevitra ireo, ary tamin'izany no nilazany ny soson-kevitra momba ny resaka solika, izay ny hetra alain'ny fanjakana no tokony ahena, ary hisy fiantraikany tsara eo amin'ny tsy fihetehan'ny vidin'ny solika izany.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hampandrenesanay anareo, fa ny malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alatsinainy 9 Jona 2008, rehefa nivahiny 54 taona teto an tany.
Hoy :
Ny zanany :
REVAERA Noelsler Jean Philippe Rama
REVAERA Noelsler Patrick Rama
REVAERA Noelsler Tiana Rama
REVAERA Noelsler Andreanna Rama
RANDRIANTIANA Stephanie Voahanginirina
Ny iray tampo aminy :
Ny Terak'Itpk ANDRIANASOLO Joe Bonard
Ny Terak'Itpk ANDRIANALIVERO Richard Bonard
RAVELOARISON Arthur mivady sy ny zanany aman-jafiny
ANDRIANTSARAFARA Villedieu Bonard mivady sy ny zanany aman-jafiny
Ny terak'Itpk RAKOTONDRASOLO Armand sy ny zanany aman-jafiny
ANDRIANASOLO Honoré mivady sy ny zanany
RAKOTONDRAINY Jean Baptiste mivady sy zanany aman-jafiny
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Mme Veuve WALTER VON Marmy sy ny zanany aman-jafiny
RANJANORO Marie Louise
Terak'Itpkvavy RAZAIARIMISA Rose Chelline sy zanany aman-jafiny
RANDRIAMANISA Gasikara mivady sy ny zanany aman-jafiny
Ny havany :
Terak'Itpk RAKOTOMANGA Bonard
RAINIHAROMISA
RAJAONA sy RANORO
Terak'Itpk RAINIKOTO RABERAHONA
Ny fianakaviana manontolo
Ny fokontany Atsimon'Analakely Ambohitsirohitra, Betafo Ambohimangakely
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana :
Katedraly Analakely
FJKM Ambohimasimbola Fitiavana
FJKM Betafo Ambohimangakely
FJKM Ambohimarina Ivato
JESOSY Fitiavana Fiainana ao amin'ny Kristy Antohomadinika
Protestanta PENIELA Besarety
Ny nofony dia hiala ao an tranony 2 Rue Samuel Rahamefy ny Alarobia 11 Jona 2008 amin'ny 12 ora atoandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Katedraly Analakely , ary hatao veloma farany ao amin'ny FJKM Betafo Ambohimangakely alohan'ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drazany eny Ambohimangakely.
« Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java mahory aho ».
(Salamo 23:1)




Omeo fialamboly ny vahoaka
Kivy ny ankamaroan'ny mpitia baolina kitra raha nandre fa ampahan-dalao valo no azontsika arahina eto Madagasikara eo amin'ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'ny Eoropa. Lalao izay heverina fa hifantohan'ny sain'ny betsaka izy io, ary fialamboly sy fakana lesona ho antsika. Indrisy anefa fa toa lasa anjorom-bala ihany ny fahazoana mivantana ity lalao ity, ka ireo manan-katao afaka manaraka amin'ny "Parabole" sy "Canalsat" ihany no mahazo fahafinaretana.
Toa miverina tampoka ao antsain'ny maro ilay tenin'ny mpitondra fanjakana ambony fa tsy mbola laharam-pahamehana aloha ny fialamboly sy ny fanatanjahantena, raha nampiato ny ministeran'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny fialamboly izy ireo.
Dia ho sanatria izay ve no tsy nahazoana nifampiraharaha tamin'ny fahitalavitra mandefa mivantana ity lalao ity ? Omeo fialamboly ampy ny vahoaka fa trotraky ny adin-tsaina. Io no làlana iray ahafahana miroso amin'ny fampandrosoana, satria tsy nisy olona nateraka tsy hiala voly eto. Tsy ho gaga isika raha vao mba misy andro iray tsy hiasana eto, ka ahitana vahoaka maro mitomandavana mba manao izay fantany fa mety. Tsy ho latsa-danja amin'izany ity lalao baolina kitra ity, izay ankafizan'ny vahoaka maro maneran-tany, ary tsy latsa-danja amin'izany isika eto Madagasikara.
Fony mbola tao anatin'ny Krizy nilaha-bary aza isika fony andron-dRadidy nahavita nijery baolina avy any ivelany, maika fa amin'izao andro hambara fa miarin-doha izao ny toe-karena ?




Famoronana asa vaovao
Vola be ny fako etsy Andralanitra
Izay sahy mikaroka no ahita fahombiazana. Toerana iray tsy mahatamana ny mpandalo, fa kosa mamelona olona sahirana maro ny fako etsy Andralanitra. Mponina aman-jatony isan'andro no mivelona eo amin'ireo fako ariana eny an-toerana. 600 ka hatramin'ny 700 taonina no fako ariana isan'andro eny.
Midadasika ny toerana, ary efa maro ireo nihevitra fa azo atao tsara ny manangana orinasa eny hanodina ny fako ho lasa zezika ka amidy eto an-toerana na ahondrana any amin'ireo nosy manodidina antsika. Hatramin'izao anefa dia mbola nijanona ho tetikasa ihany izany. Vao tsy ela ny filoha Ravalomanana no nihazo an'i Japon, ka nitsidika orinasa iray manodina ny fako ho lasa zezika. Voatokana ao avokoa ny tavoahangy "Plastika" sy ny alimo ary ny fakon'ny mponina andavan'andro. Ny "Plastika" azo ahodina ho zavatra hafa toy ny kapa, na kiraro. Ny alimo dia hiarahana mahita ny vokatra azo avy aminy raha arendrika. Toy izany koa ny fatim-by. Ny fandrendrehana itony fako itony dia miteraka angovo ahazoana herinaratra ny afanana mivoaka ao. Ny fako kosa dia atao zezika hamokaran'ny tantsaha. Tsy hisy ho very ireny fako ireny, ary hiteraka fidiram-bola betsaka ho an'ny mpandraharaha ny vokatra ho azo eo. Mila fampiasam-bola betsaka anefa ny fanombohan'ny asa, ka izay angamba no tsy mbola mamparisika ny maro hiditra amin'ity sehatra ity.
Midadasika ny toerana etsy Andralanitra ka ny tontolo manodidina hadio, ary ny vola vahiny hiditra.
Azo atao tsara noho izany ny mitrandraka ny fako hivadika vola, ka ny fakon'Antananarivo indray no tsy aharaka. Izay no azo hitarafana fa ny saina tia karokaroka no làlana iray ahafahana mamoron-javatra, ary manome asa maro ho an'ny tsy an'asa ny toy izao. Rehefa tsy hain'ny Malagasy ny manodina ireto fako ireto, koa nahoana raha itony no hiantsoana ny mpandraharaha vahiny toy ny an'ny Japon hitrandraka ny fakon'ny Gasy hivadika ho vola ?




Atrk'asa ny MAP
Vonona am-bava ny vahiny
Nifarana omaly ny fikaonan-doha momba ny MAP. Vonona ireo firenena vahiny ny hanohana ny tetik'asa izay voarakitra ao anatin'ny MAP. Vola mitentina 5 miliara dolara no ilaina, ahafahana miasa mandritra ny dimy taona.
Raha izay atrik'asa nandritra ny roa andro izay no jerena, dia hita fa mbola fanekena ambava hatrany no ataon'ny mpamatsy vola mahazatra sy ireo firenena vahiny. Tsy mbola voafaritra mazava ny vola hanampian'izy ireo antsika, indrindra fa ny hanomezany ny vola. Toy ny fahita hatramin'izay, ka ny tarehi-marika fotsiny no hambara, fa mitarazoka ny fanomezana izany vola izany. Isan'ny maha-taraiky ny asa tokony ho atao izany, satria tsy voafaritra mazava ny vola entina hanampiana antsika.
Dia ho sanatria ve ka ho herim-po very maina fotsiny ny finihavan'ny fitondrana nanao iny dinik'asa iny ?




Lasa izao raha tsy mibolisatra
Miaiky ny maro, fa mahay miresaka ny mpitondra antsika. Resiny lahatra avokoa izao tontolo izao, ary dia nirotsaka ny vola entina hanampiana ny tetikasa izay ho atao eto, dia ny MAP izany.
Tafapetraka amin'ny tokony ho izy amin'izay i Madagasikara, hoy indray ny litanian'ny fanjakana. Ny mpamatsy vola aza niaiky izany, fa manana ny anjara toerany ity firenena malalantsika ity. Tsy misy intsony izany izao ny sakana, satria efa tafapetraka avokoa ny rafitra isan'ambaratongany. Ny olom-boafidy tsy TIM efa manara-kefa izay ataon'ny maro an'isa. Tsy afaka mikofoka intsony izay maneho hevitra eto, ka tsy izay ve no mahazo ny mpanohitra ankehitriny. Saika ny avy ao amin'ny antoko TIM avokoa no mandrafitra ny andrim-panjakana rehetra, izany hoe tsy hisy volo manohariana intsony eo amin'ny fanarahana maso ny mpanan-tanteraka. Hizotra antsakany sy andavany ny fanaovan-dalana, ary aiza indray no hisy tahaka izany ? Nirotsaka ny dolara, atombohy ary ny asa fa efa sasatry ny miandry ilay fiovana ao anatin'ny 5 taona ny vahoaka. Ho hita taratra manomboka izao ny fahatsaran'ny tontolon'ny fahasalamana, ny fampianarana, fianam-bahoaka amin'ny ankapobeny. Hianaka any ambanivolo rehetra any ny angovo hanome hazavana ho an'ny faritra ivelan'ny renivohitra. Isan'ny hita ao amin'ny teny hifanomezan'ny MAP avokoa ireo, ary antony nanaovana ireny fangatahana goavana tamin'ny mpamatsy vola ireo. Lasa izao raha tsy mibolisatra hoy ny mpitazana. Hibolisatra ahoana moa, satria olona manana ny fahaiza-manaony ireto mandrafitra ny andrim-panjakana isan-karazany, ary toy izany koa ny isaky ny faritra. Ny kaominina efa nampiana ireo vola fanomen'ny fanjakana azy, ary iza amin'ny vahoaka no tsy liam-pandrosoana. Hatreto dia hitazana sy hitsara ny asa vita amin'izay isika, fa tsy sanatria hambara na ahilika any amin'ny hafa indray raha sanatria misy tsy fahombiazana. Sa mbola misy andrasana amin'ny asa tokony ho atao eto ?


