Ankazobe
Mpianatra nitsidika toerana manan-tantara
Mpianatra eo amin'ny 50 mianadahy eo, avy ao amin'ny « lycées » Saint-Michel, Rabearivelo ary Ankazo-be, no indray nifamotoana, ny zoma 24 mey teo, nitsidika ireo toerana manan-tantara ao Ankazobe. Ny bekotro maro holatra frantsay, izay mivondrona ao anatin'ny « Fédération Maginot » no nanomana ny hetsika.
Notsidihin'ireto mpianatra sy ireo bekotro maro holatra tamin'izany ny toerana malaza tamin'ny taonjato faha-18, tao Ambatomasina, ao atsinanan'Ankazobe.
Nisy ihany koa ny fikarohana ny toerana nisy ny
maréchal Lyautey, lehiben'ny distrikan'Ankazobe ny taona 1897, izay nifanandrina tamin'ny governora Rabezavana, tia tanindrazana merina tamin'izany fotoana izany.
Nofaranana tamin'ny fihaonana tao amin'ny birao fiasan'ny lehiben'ny distrika tany an-toerana moa ny fotoana.




Loza
Olona matin'ny poizim-boalavo
Tsy tana ny ain'ity mpiasan'ny kaominina iray nahatelina poizim-boalavo, na dia efa nanao izay faraheriny namonjena azy aza ny mpitsabo tao amin'ny hopitalin'Ampefiloha. Teo amin'ny fitiliana nataon'izy ireo azy mantsy no nahafantarana fa nitelina poizina izy, ka nony injay natao ny fanadiovana ny taova tany anatiny dia hita tao anaty vavoniny ilay poizim-boalavo.
Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga izany tarehin-javatra izany. Mbola niasa izy ny asabotsy maraina ary ny hariva izy no nody. Sady nitaraina ho narary mafy izy tamin'izany ka tamin'izay no nitondran'ireo fianakaviany azy namonjy hopitaly sy nahafantarana ihany koa ny zava-nanjo azy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
POLISIM-PIRENENA - Nifamotoana ny fikambanam-ben'ny kaomisera. Tany amin'ny Akany fana-beazana ireo zaza kambotin'ny polisy, ao Ambatolampy, no nifamotoana, ny asabotsy teo, ny fikambanam-ben'ny kaomisera eto Madagasikara, na ny «Amicale des commis-saires, des contrôleurs généraux et inspecteurs généraux de police». Nifampiarahaba tratry ny taona 2008 izy ireo sady nifidy izay ho birao hitantana ny fikambanana.
ZAVAKANTO - Hanamarika ny faha-25 taonany ny tarika «Iraimbilanja». Hamerina indray ny harendrina eny amin'ny sehatra vaton'Antsaha-manitra ny tarika «Iraimbilanja». Hiavaka ny fanatanterahana izany amin'ity taona ity, satria ankoatra ny maha fetim-pirenena azy dia sady tafiditra indrindra ao anatin'ny fanamarihana ny faha-25 taona nijoroan'ny tarika. Hisy raki-kira havoakany moa ato ho ato ho tsangambaton'izany fankalazana izany.
ANDOHALO - Mpiambina voatifitra. Voatifitr'ireo jiolahy teo amin'ny sorony, ny zoma alina teo, ity mpiambina sivily iray nandeha nanatitra mpiara-miasa aminy teny Andohalo. Tsy izy anefa no tena norobain'ireo jiolahy fa ilay renim-pianakaviana nateriny.
Nangoni'ni




Athlétisme - Meeting de Pézenas
Fanja Rakomalala bat un vieux record national de 15 ans
Faute de grive on se contente de merle. C'est le cas des deux athlètes malgaches, samedi au meeting national de Pézenas. Malgré sa cinquième place, Fanja Félix Rakotomalala, du Stade Sottevillais 76, a réalisé un exploit. Cette championne de l'océan Indien en 800 m a pulverisé le vieux record national de 4'24'' de Martine Rasoarimalala, signé en 1993 durant les Jeux des îles de l'océan Indien aux Seychelles, en le ramenant à 4'20''78 au 1 500 m.
Engagée dans la même course, Eliane Saholinirina, quant à elle, termine septième mais elle a aussi bouclé la distance avec un bon temps de 4'23''77.




Fetim-pirenena
Mitobaka ny tsipoapoaka
Na dia mbola misy roa tokombolana aza ny fetin'ny 26 jona dia efa mirentirenty eny an-tsena eny ireo karazan-kilalao hankalazana izany. Iray amin'izany ny tsipoapoaka.
Efa manomboka miaina sahady amin'ny Fetim-pirenena ny mponina eto an-drenivohitra raha ny zava-misy hita eny an-tsena no jerena. Mitobaka sahady eny mantsy ny karazana tsipoapoaka sy afo-manga. Saika ahitana izany avokoa rehefa tsena lehibe eto an-drenivohitra. Ny eny Tsaralalàna, Analakely, Isotry...
« Vao niandoha mihitsy ny volana jona dia efa nivoaka teny amin'ireo mpivarotra ambongadiny fakanay entana ny tsipoapoaka. Ary dia samy mifandrombaka mividy izany ny mpivarotra », hoy ity renim-pianakaviana iray mivarotra izany eny Tsaralalàna.
Nilatsa-bidy ny tsipoapoaka
Nosoritany fa miova manaraka ny vanim-potoana sy ny filan'ny olona ny entana avoakan'ireo mpivarotra ambongadiny. Ary izay no mahatonga ny fiovan'ny entana hita eny an-tsena.
Tany am-boalohany, raha ny fanazavan'i Ndriana, mpivarotra izany eny Analakely, dia somary lafolafo ihany ny nakana ny entana satria nisy hatrany amin'ny roa hetsy ariary mahery ny vidin'ny afomanga iray. Nefa amin'izao fotoana izao nidina any amin'ny 60 000 ariary any. Ary dia arakaraka izay no amarotana azy.
Ny tsipoapoaka kosa indray manodidina ny 1 000 ariary ny fonosana teo aloha. Ary dia nilatsa-bidy toy ny afomanga izay ihany koa amin'izao fotoana izao ny tsipoapoaka. Any amin'ny 600 ariary any. Izany hoe amidy eo amin'ny ariary zato eo ny singany. Ny madinika kely indrindra moa dia 50 ariary dia mahazo.
Tsy dia mbola nandeha firy ny tsena tany am-boalohany, araka ireo mpivarotra tsipoapoaka, satria saika ireo mpivarotra avy amin'ny faritany ihany no tonga manangona betsaka izany. Ny eto an-drenivohitra, vitsy no mbola nividy azy. « Tato ho ato ny olona avy eto vao nanomboka nividy. Ny andro faran'ny volana rahateo », hoy ihany ireo mpivarotra.
Ankoatra ireo mpivarotra tena matihanina moa dia maro ihany koa ireo manao asa an-tselika amin'ny famarotana azy itony. Fotoana fanararaotana amin'ny fitadiavam-bola mantsy ny vanim-potoana miavaka toy itony.





Orchidées blanches
Fanampiana avy amin'i Monaco
Notenterahina teny amin'ny « Orchidées blanches » teny Androhibe, omaly maraina, ny fanaovan-tsonia amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ity akany fitazaina ankizy sembana ara-tsaina ity sy ny konsilin'i Monaco. Ary dia natolotra tamin'izany ny vola mitentina 7 200 euros, entina hikarakarana ireo ankizy sembana beazina ao amin'ity akany ity. Niry Rabemanolontsoa, lefitry ny konsilin'i Monaco, sady misolo tena ny konsilin'i Monaco rahateo, no tonga nanatanteraka sy nanolotra izany teny an-toerana tamin-dRamaroson André mivady mpanorina ny akany.
Tsy voalohany akory fa efa fanintelony izao ny konsilin'i Monaco no nanampy ny Orchidées blanches toy izao. Nahomby ny fiaraha-miasa, ary dia izao mitohy izao mandrak'androany. Hiompana eo amin'ny fanatsarana ny sakafon'ireo ankizy tezaina sy ny fari-piainan'ny mpanabe moa ity fanampiana fanintelony ity.
Ny alakamisy ho avy izao dia mikarakara fifaninanana hazakazaka, antsoina hoe « Miara-miaina », ny Orchidées blanches. Iarahany amin'ireo olo-matanjaka moa izany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mananjary - Zaza kamboty telo main'ny afo. Zava-doza no niseho tao amin'ny akany fitaizana zaza kamboty iray tao Mananjary omaly alina araka ny vaovao navoakan'ny radiom-pirenena. Nirehitra tao ny trano fatorian'ireto ankizy, ka zaza telo notezaina tao no indray maty, kilan'ny afo tamin'izany.
Andohatapenaka - Voasarona ilay vava-tatatra. Misosa tsara ihany koa ankehitriny ny lalan'ny mpamily fiara eny Andohatapenaka. Vitan'ny kaominina ary voasarona tsara ilay vava-tatatra boribory teo afovoan'arabe. Tsiahivina fa kamiao nandalo tamin'iny faritra iny no nanapasaka ilay saron-tatatra vy be.
Antanimena - Namboarina ny lavaka. Omaly ihany dia efa nirotsaka an-tsehatra nanamboatra ilay làlana nihotsaka namela lavaka be teo amin'ny arabe teo Antanimena ny avy ao amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Nitaona ny tany nanotofana ilay lavaka ary nanampina izany.
Nangonin'i




Lesona azo tamin'ny fitokonan'ny mpianatra dokotera 1972
Toy izao no fandehan'izany fitokonana kely niafara tamin'ny fionganan'ny fitondram-panjakana izany.
Tamin'ny 1971 dia nisy fitakian'ny mpianatra teny Ankatso hanovana ny fifanarahana fiara-miasa tamin'ny Fanjakana frantsay, izany hoe tena fitakiana politika marin-drano izay nahazo ny 100 %-ny mpianatra.
Nitsefotra ny fitokonana : Tamin'izany dia antoko politika roa monja no teto dia ny PSD sy ny AKFM. Ny ankamaroan'ny mpianatra anefa dia nilaza fa tsy manao politika na dia tena politika aza no fitakiana tena politika nataony mba hitsipahan'ankolaka ny AKFM. Nony tonga ny vakansy, dia narirariran'ny Piso teo ry zareo ka nangatsiaka ny hafanam-pon'ny mpianatra ary dia nitsefotra ny fitokonana. Tamin'ny 1972 dia rano tapaka tany amin'ny lavabo sy ny W.C no nahatezitra ny mpianatra ka nitarika ny fitokonan'izy ireo. 210 monja izy ireo ka 5 monja no tsy nitokona nanomboka hatrany am-boalohany ka hatraminn'ny farany. Maivana dia maivana raha rano tsy mandeha any amin'ny lavabo no atao fototry ny fitakiana.
Ny fototry ny fitakiana : Fa satria hianareo mpianatra sady mianatra ho mpitsabo dia fitakiana mifandraika amin'izany no tokony hatao fitakiana, izany hoe fitakiana sosialy izay politika ihany. Zo mitovy ho an'ny zaza malagasy hahazo fianarana tsara sy mitovy. Zo mitovy ho an'ny vahoaka malagasy hahazo fitsaboana tsara sy mitovy.
Ny fandaharam-potoana teo Befelatànana : Mizara roa mazava ny fandaharam-potoanan'ny mpianatra teo Befelatànana : amin'ny maraina dia tany amin'ny hopitaly, mianatra ,mitsabo. Tsy izany no nanaovan'izy ireo fitokonana ary tena tsy nisy tomika ny fomba nanaovany ny fitsaboana, mba hahafaly sy hahafapo ny marary. Izany hoe tsy hananganana azy ireo sy ny vahoaka ho fahavalo.
Notohanan'ny vahoaka ka nandresy ny mpianatra : Noroahin'ny Fanjakana niala ny kilasimandry izy ireo ary tsy nomeny sakafo. Nanao antso tamin'ny vahoakan'Antananarivo izy ireo izay namaly ny antso. Be dia be ireo nanampy indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana ka tsy lany nolaniana ny fanomezan'ny olona izay efa sosotra tamin'ny fihetsiky ny fanjakana mampijaly zaza hatrany amin'ny sakafo izay zava-pady amin'ny Malagasy. Nandritry ny tapa-bolana dia nofahanana teo amin'ny hotely gasy teo andrefan'Ambohijanahary izy ireo izay tena nahafa-po tokoa. Antenaina fa raha sanatria tapahin'ny fanjakana ny karaman'ny mpiasa madinika amin'ity fitokonan'ny mpiasan'ny Jirama ity dia tsy ho latsak'izany no hataon'ny mponina eto Antananarivo, indrindra ny prezidan'ny Repoblika sy ny FFKM.
Ny tsara ho fantatra : Tamin'ny 1971 dia nandamoka ny fitokonan'ny mpianatra teny Ankatso satria natahotra ny atao hoe manao politika sady niolonolona sy nitoka-monina
fotsiny tao Ankatso na 100 % ny firaisankina, tsy nisy foto-kevitra, tsy notohanam-bahoaka, tsy nisy fandaminana, tsy nisy fanarahana fitsipika hentitra. Tamin'ny fitokonan'ny mpianatra dokotera tao Befelatànana tamin'ny 1972 kosa dia nisy foto-kevitra sy tanjona mazava ny fitokonana, nisy ihany koa ny firaisankina fa ny tsy fantatry ny tety ivelany dia ny fampisehoan'ny vehivavy herim-po sy ary fahatapahan-kevitra ka sahy nifanandrina sy nandresy lahatra ny mpitondra, ny lehilahy kosa dia tohan-daka ihany. (Nisy fiaraha-miasa tamin'ny Fikambanan'ny mpianatra dokotera sy ny Sedodia. Ny mpianatra no tompon-kevitra sy fanapahana fa ny Sedodia kosa mpanolotsaina). Vahiny anankiroa monja tsy menatry ny midehaka ireny arak'ireny sahiny aseho ireny no tena mitondra ny baolina. Ny fitambaran'ny karaman'izy roa lahy dia mahatratra dimy miliara iraimbilanja isam-bolana.
Tena ady fiady ity fitokonan'ny mpiasan'ny Jirama ity ka tokony handresy raha mahay miasa ! Na io karama mandifotr'olona io fotsiny aza ! Sarotra ekena izany ! Homentsika amin'ny manaraka ny tohiny sy n y andinidininy.
Sedodia
Rakotomalala Manan'Ignace




Fanatsarana
Rakofana taila ny tonelina
Hiova endrika ny tonelina roa eto an-drenivohitra. Manomboka ny asa fanatsarana ny kaominin'Antananarivo.
Samy nahatsikaritra ny rehetra, nanomboka ny alatsinainy teo, indrindra fa ireo izay mandalo amin'iny tonelina Ambohidahy, ny famefena sy ny fanatsatohana hazo ny arabe ao ambany tonelina (amin'iny ilany an-kavian-dalana iny, raha avy any Andohan'Analakely ka hidina ho any Anosy any). Dia samy nihevitra ny rehetra fa holokoina indray ity tonelina ity. Saika izany hatrany mantsy no fomba rehefa tonga ny fety sy ny Asaramanitra. Nefa tsy izay no tena izy, fa hay tena fanatsarana maharitra ny tonelina. Izany hoe fandrakofana taila azy.
Tanterahina eo amin'ny tonelina Ambohidahy izany ankehitriny ary raha ny fanazavan'ny tale teknika
eo anivon'ny kaominin'Antananarivo, Liva Ramavozatovo izay tratra antso, dia ireo tonelina roa eto an-drenivohitra mihitsy, Ambohidahy sy Ambanidia, no ho atao.
«Hatrany amin'ny 2,5 metatra any, miainga eo amin'ny fotony eo amin'ny sisin-dalana, no horakofana taila ary ny eo amboniny dia zavatra hafa indray no anaovana azy», hoy ihany ity tompon'andraikitra ity. Nosoritany fa finiavan'ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina manokana, no nanao an'ity fanatsarana ny endriky ny tonelina ity.
Orinasa no manatanteraka ny asa eny an-toerana ary kendrena ho vita alohan'ny fanamarihana ny fetim-pirenena 26 jona izy io. Mikasika an'ireo tonelina mitsika rano na
mitete ireo moa dia nosoritan'ity tompon'andraikitra ity ihany fa efa misy ny fijeren'ny injeniera an'izany ary efa mipetraka ny lamina hahafahana manatanteraka ny asa.Roso, araka izany, ny asa fanatsarana ny tanàna ataon'ny ben'ny tanànan' Antananarivo renivohitra.





Talata Volonondry
Nisy namaky ny orinasa Alfa Color
Novakian'ny jiolahy, ny alin'ny asabotsy 29 mey tamin' ny 9 ora alina, ny orinasa Alfa Color ao Tanambao, kaominin'i Talata Volonondry, distrikan' Antananarivo renivohitra. Vola mitentina hatrany amin'ny 13 tapitrisa ariary mahery no indray very tamin'izany.
Nampandre ny zandarimariam-pirenena haingana ny tompon'ny orinasa. Nandeha ny fikarohana sy ny fisamborana izay nahitam-bokany avy hatrany, ka olona enina no indray voasambotra. Teo no nahafantarana fa hay tsy olon-kafa ny efatra tamin'ireto voasambotra fa mpiasa ao amin'ny orinasa ihany.
Ary rehefa natao ny fisavana dia vao mainka niampanga azy, satria fanondroana nataon'ny iray tamin'izy ireo izay sarona voalohany, no nahafahana nisambotra azy enin-dahy, ny fisian'ny vola be mitentina 12 tapitrisa ariary mahery hita teny amin'ny iray tamin'izy ireo. Ny sasany tamin'izy ireo mihitsy aza, no voatondro fa atidohan'ity famakiana orinasa ity ka nitaona ireo namany hanao izany.
Natolotra ny Fampanoavana omaly izy enin-dahy ka ny tena atidohan'ny famakiana ny orinasa no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.




Andravoahangy
Nesorina ny mpivarotra teo an'arabe
Nivoaka teo Andravoahangy nandamina ireo mpivarotra
midina an-dalam-be, omaly, ny lefitry ny lehiben'ny tsenan'Andravoahangy, Ranarivola Folo, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nesorina tamin'izany ka nasaina niakatra tamin'ny sisin-dalana ireo mpivarotra nibahana teny amin'ny arabe. « Efa in-telo tsena izahay no mandamina ny mpivarotra, saingy misy manaiky ny fandaminana, misy kosa midrikina », hoy ny lefitry ny lehiben'ny tsena. Nomarihiny fa ao aoriana dia tsy maintsy hisy fepetra horaisina ho an'ireo mandà fandaminana, satria
efa mila tsy hisy handehanan'ny fiara intsony ny arabe eo Andravoahangy rehefa tsena ny andro.
Raha misy tokoa mantsy ny tsena baranahiny eto an-drenivohitra dia anisany Andravoahangy. Ny làlana efa tery, ny mpivarotra manao ny ataony, zara raha misy hizoran'ny fiara. Ny mpandeha an-tongotra moa dia efa tsy manana làlana natokana ho azy intsony fa dia voatery ho eny afovoan'ny mpivarotra sy ny fiara maro mitohana eny am-povoan' arabe no mifampisisika !




Zandarimaria
Nanao fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny zandary
Notanterahina nanomboka ny talata 27 mey ary nifarana ny asabotsy 31 mey teo ny fifaninanana ara-panatanjahantena notontosain'ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo. Taranjam-panatanjahantena efatra no indray notontosaina tamin'izany : hazakazaka, basket-ball, volley-ball ary baolina kitra. Saika norombahin'ny ekipan'ny zandarimaria avy eto Analamanga avokoa ny teo amin'ny lalao hazakazaka sy ny basket. I Vakinankaratra sy Bongolava kosa no nandrombaka ny volley-ball sy ny baolina kitra. Marihina fa lalao niadiana ny amboaran'ny komandin'ny fari-piadidian'ny zandarimaria Antananarivo izy ity.




JIRAMA
Niravona ny olan'ny mpampiasa «prépayé».
Olana kely tamin'ny tsy fetezan'ny solosaina teo anivon'ny Jirama no fantatra fa tsy nisian'ny fahana ho an'ny mpanjifa nampiasa ny fandaniana aloha mialoha («prépayé»). Efa niravona anefa izany ankehitriny satria efa vita ny simba. Malalaka, araka izany, ireo mpanjifa mitady izay zavatra ilainy.




67 HA
Entana lafovidy amidy eny an-dalambe
Ahitana izao karazan'entana samihafa izao eny an-dalambe. Mitobaka izay tsy izy izany eny amin'ny 67 ha afovoany.
Toy ireny magazay kely ireny ny eny amin'ny araben'i 67 ha afovoany hihazo ny paositra iny, amin'ireo entana lafo vidy maro. Ao ny vata fampangatsiahana, ny salon, ny vata fahitalavitra, ny lalimoara sy seza ary latabatra fihinanana... Miaraka amin'ny kojakojan-tokantrano samihafa, aranty sy amidin'reo mpivarotra eny an-dalambe.
Entana efa niasa avokoa izy ireo, raha ny fanazavan'i Davida, mpivarotra iray eny an-toerana.
Raharaham-pianakaviana
Nosoritany fa saika entan'olona tra-pahasahiranana avokoa izy ireny : nisy narary tampoka, tsy manam-bola, voaroaka tamin'ny asany...
Ao koa ny an'ireo teratany vahiny handeha hody. Misy ihany koa anefa, na izany aza, ny entana avy any amin'ny magazay izay misy fahasimbana.
« Ara-dalàna avokoa ny anay ny entana amidinay. Tsy misy resaka halatra izany matoa arantiranty ety amin'ny arabe. Misy faktiora mazava tsara avy amin'ireo olona nakana azy », hoy indray Razafindramavo Menjanahary Mélanie, mpivarotra iray hafa eny an-toerana. Nambarany fa ireo tompon'entana mihitsy no tonga maka azy ireo eo an-tsena mba hanala izany any an-tranony ka hivarotra azy.
« Efa an-taonany maro, manodidina ny 20 taona tany, izahay no efa nivarotra entana lafovidy tety andalambe tety », hoy koa Rakotonarivo Hajanirina. Ny renibeny, raha ny fanazavany, no nanomboka ity karazam-barotra ity. Dia nandimby azy ny ray aman-dreniny, ary dia izao nolovain'izy ireo izao.
Na dia efa niasa aza anefa ny ankamaroan'ireo entana ireo dia manambaka an'ireo any amin'ny magazay ny endriny. Misy tokoa ny toy ireny mbola vao ireny. Mandeha tsara ara-dalàna, ho an'ny mandeha amin'ny herinaratra, ary azo ampiasaina tsara ireo fanaka isan-karazany. Ny vidiny rahateo koa azo idirana tsara satria manodidina ny 300 000 ariary dia efa mahazo vata fampangatsiahana raha vidiana roa avo heny izany any amin'ny magazay. Dia tonga maro tokoa ny mpividy.





Antananarivo
Nandray karama ireo sekreteran'ny fokontany
Mandimandina indray aloha, raha miohatra amin'ny sefom-pokontany, ny tratran'ireo sekretera sy ireo mpitam-bolan'ny fokontany eto Antananarivo renivohitra. Nandray ny tambin-karamany avokoa mantsy izy ireo
afak'omaly, raha dimy volana tsy nahita izany.
« Indray nomena azy avokoa ireo karamany rehetra nandritra izay fe-potoana
tsy nandraisany azy izay. Ary hitohy tsy hiato intsony izany isam-bolana », hoy Rabemanana Jean Gaston, délégué au maire ao amin'ny boriborintany fahenina.
Azo lazaina ho faly sahirana ihany anefa izy ireo nandray izany, raha ny fanazavan-dRamilison Heriarivelo na Rain-Ball, sekretera ao amin'ny fokontanin'Ankaditapaka avaratra (laharana faha-15).
Satria ny androatokon'ilay vola dia tsy an'ny tena intsony : « Lasa trosa avokoa ny ankamaroany satria tsy maintsy niditra tamin'izany niatrehana ny fiainana nandritra izay dimy volana izay », hoy izy. Na izany aza anefa dia nisaotra ny kaominina izy. Ny andro fety rahateo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ivato - Polisy 90 niatrika fiofanana. Nifarana omaly teny Ivato, teny amin'ny sekolim-pirenena ambony, ny fiofanan'ireo polisy 90 momba ny « maintien de l'ordre » sy « gestion des violences urbaines ». Tapa-bolana teo no niatrehan'izy ireo izany, ka polisy frantsay telo mirahalahy avy atsy La Réunion no tompo-marika tamin'ny fanatanterahana azy.
Ampasampito - Tokana ny fivarotana ny tapakila.
Tsy hifandimby intsony ny fiaran'ny koperativa mpitatitra mandeha eny amin'ny fiantsonana eny Ampasampito. Atao tokana mantsy ny toerana hamarotana ny tapakilan'ny koperativa rehetra.
Carion - Miandry ny fianakaviany ny razana. Ao amin'ny tranom-patin'ny hopitaly ao Carion amin'izao fotoana izao ny fatin'ilay jiolahy iray nanafika sy nandroba ny radio Vakiniadiana. Maty voatifitry ny zandary tany an-toerana moa izy ity, ny alin'ny alatsinainy teo.
Nangonin'i




Analakely
Sahirana ireo mpivarotra amoron-dalana
Tsy tafapetraka ny mpivarotra amoron-dalana anaovan'ny mpiasan'ny fivondronana azy. Lasa mandehandeha sisa izy ireo.
Tsy mahita hirika hamelarana ny entany eny an-dalambe intsony ireo mpivarotra amoron-dalana amin'ny haza lambo ataon'ireo mpiasan'ny fivondronana. Kinga mihitsy « i manga be », ilay kamiaon'ny fivondronana mandraoka ny entan'izay tratra. Dia ny mitondra ny entana mijoro sy mivezivezy eran'ny tanàna sisa no ataon'izy ireo.
Ary eto no mahavariana satria hitan'izy ireo ihany ny tetika entina hampirantiana ny entam-barony. Ao izany iravahana sy iambozonana, toy ireo poketra sy fitafiana samihafa, misy hatramin'ny kiraro mihitsy aza. Fa ao koa ny entina amin'ny sobika lolohavina. Ny entana sasany aza moa toy ny kilalaon'ankizy sy ny sakafo sasany dia atao anaty harona plastika kely dia asiana hazo lava ilanjana azy. Dia ny mpandalo sisa no manontany, satria na miantso mpividy toy ny fanaon'izy ireo taloha aza tsy sahiny hatao intsony !
« Fadiranovana mihitsy izahay, tsy mahita toerana ivarotana. Ny asa anefa tsy misy ary ity varotra kely ity no mba ahitanay rirany hividianana sakafo », hoy ireo mpivarotra amoron-dalana tafaresaka tamin'ny mpanao gazety teny Analakely. Nosoritan'izy ireo fa efa tsy omby intsony ny tsena eny an-tanàna hahafahany mivarotra ka izany no mahatonga azy ireo hirotsaka eny an-dalambe. Nefa dia izao voakorontana izao. Ny entana anefa no-vidiana ary dia fatiantoka no hita.
Ny iafarany aza moa toa an'ireo lamba tonta avy any ivelany, hatao varo-boba ny entana. «Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy», hoy Fanja, mpivarotra lamba tonta avy any ivelany.





Baolina kitra
Hihaona amin'ny Elefanta indray ny Barea
Hafana indray ny eo amin'ny kianjan'i Mahamasina rahampitso. Hihaona amin'ny Elefantan'i Côte d'Ivoire indray ny Barean'i Madagasikara. Tafiditra anatin'ny fifanintsanana amin'ny CAN sy ny Mondial 2010.
Omaly tolakandro no nigadona teto Madagasikara, teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ity ekipam-pirenen'i Côte d'Ivoire ity. Ary ny tolakandro ihany izy ireo dia efa nanao fanazaran-tena teny amin'ny kianjan'Alarobia.
Raha eo amin'ny haventesana sy ny halavana aloha dia manatombo ny Elefanta satria manodidina ny 1,80 metatra ny halavan'izy ireo. Na izany aza dia tsy matahotra fa vonona ny handresy ny Barea. Ary vao mainka hanampy tosika amin'ny fahatongavany amin'izany fandresena izany ny fanohanantsika mpijery azy.
Efa tonga eto an-tanindrazana rahateo tamin'iny herinandro iny i Bolida, mpilalao malagasy milalao ao amin'ny klioban'i Saint-Pierre ao La Réunion, hanampy ny ekipa malagasy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMBOHITSAINA - Haka ny taniny ny oniversite. Tsy hisy intsony manomboka izao ny olona mibodo ny tanin'ny oniversite fa haka ny taniny amin'izay ity farany, araka ny fanazavan'ny filoha lefitry ny oniversiten' Antananarivo, Jean Eric Rakotoarisoa. Efa any amin'ny sampan-draharaha fananan-tany ny antontan-taratasy. Eo am-piandrasana anefa dia hamefy izy. Marihina fa voakasik'izao fepetra izao ireo oniversite enina eto Madagasikara.
ANKAZOMANGA - Fiarakaretsaka nidona tamin'ny taxi-be.
Ny mikoropaka ihany no mahita loza ! Vokatry ny fisisihan'ny mpamily fiarakaretsaka iray teny Ankazomanga, omaly maraina, dia voakasok'ilay taxi-be ny vatan'ny ny fiarany. Tsy nampoiziny ny zava-nitranga ka tankina tsy nahateny izy raha nandre ny fikarepoky ny fiara.
ANOSIBE - Raikitra ny fanenjehana posiposy. Posiposy folo no indray nosamborin'ny polisy teny Anosibe, omaly, noho ny tsy faranarahan'izy ireo ny lalàna mametra ny fe-potoana ivezivezeny. Naiditra « fourrière » ary dia miandry ny tompony haka azy rehefa avy mandoa ny lamandy.
Nangonin'i




Fifamoivoizana
Mila ampianarina lalàna ny mpitaingina bisikileta
Mitera-doza ho an'ny mpamily fiara mazàna ny fiselontselonan'ireo mpitaingina bisikileta. Mety ho tsy fahaizana ny lalànan'ny fifamoivoizana na tsy fahaiza-mitondra no antony.
«Na dia hitandrina toy ny inona aza, dia tonga foana ny loza noho ny adalan'ny hafa. » Tenin'ity mpamily fiara iray, Rakotoarinaivo Julien izany, raha saika nahita loza tamin'ny fanapahan'ity mpitaingina bisikileta iray teo Ankorondrano izy. Izy mandeha tsara iny mantsy no tsy tratra nihoarana sy notapahin'ilay mpitaingina bisikileta tampoka avy tao ankavanany.
Nahitsaka ny fanajanonana ny fiarany haingana ity mpamily, fa raha tsy izany saika zava-doza no nitranga. Voadonany teo ilay tovolahy mpitaingina bisikileta ary mety ho voahosy mihitsy aza, raha izay no nipoitra.
Tsy mitandrina
Nijanona kely ary niverina niakatra teo amin'ny sezany dia nanohy ny lalana avy teo ilay tovolahy. Ilay mpamily fiara kosa nangenahenan'ny hatezerana sy ny fisainana ny loza saika niseho.
Toy izany tokoa mazàna no ataon'ireny mpitaingina bisikileta ireny. Ny an'ny sasany izany na ny fijanonana amin'ireny tsipika fotsy natao handehanan'ny mpandeha an-tongotra ireny aza angamba tsy fantany akory. Asa heveriny ho toy ny adala ireo mpamily fiara manajanona ny fiarany rehefa tojo an'ireny toerana ireny ahafahan'ny olona miampita. Fa ny mpitaingina bisikileta tsy te-halalala izany, manohy ny diany ihany. Zava-nisy teny amin'iny faritr'Ankorondrano ihany koa izany ny herinandro teo.
Mpandeha an-tongotra iray no saika nofaohin'ny mpitaingina bisikileta iray teo anoloan'ny trano fitaratra foiben'ny orinasa iray teo an-toerana. Takon'ny fiara mpitatitra mantsy ranamana ka tsy tazany ilay mpandeha an-tongotra. Izy anefa tsy nieritreritra ny hijanona !
« Mandeha amin'ny arabe izy ireny, ka tokony hahay ny lalànan'ny fifamoivoizana. Tokony heverin'ny fanjakana, araka izany, ny hampianarana azy ireny an'ity lalànan'ny fifamoivoizana ity », hoy ireo mpamily fiara nanaovana fanadihadiana. Notsorin'izy ireo fa mazàna dia avy amin'ny tsy fanajan'ireny mpitaingina bisikileta ireny ny lalànan'ny fifamoivoizana no mahatonga ny loza eo amin'izy ireo sy ny mpamily fiara.





Mahitsy
Renim-pianakaviana nianjera teny ambony kamiao
Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana nianjera avy teny ambony kamiao, tany Ampanotokana Mahitsy, amin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny zoma tolakandro teo tokony ho tamin'ny dimy ora. Nivoha tampoka mantsy ny varavaran'ilay kamiao ka nentin'iny nivarina taty amin'ny arabe izy. Vokatry ny fialan'ilay mpamilin'ilay kamiao omby nanapaka tampoka teo amin'ny arabe, raha ny fanazavan'ireo nanatri-maso, no nahatonga ny loza. Namily tampoka ny fiarany ilay mpamily ka izay no nampivoha ny varavaran'ny fiara teo akaikin'ilay renim-pianakaviana.
Ny lohany no nandeha aloha tamin'izany fianjerana izany. Niankarapoka tamin'ny tany ary mbola nokasohan'ny kodiaran'ilay kamiao nandehanany indray avy eo. Dia vao mainka nitombo ny fahavoazana ary izay no tena nahavoa azy.
Mpivarotra saribao ity renim-pianakaviana ity ary handeha haka saribao tany amin'iny faritr'Ankazobe iny izy tamin'io fotoana io.
Taorian'ny fitsirihana nataon'ny zandary sy ny mpitsabo teny an-toerana moa dia nentina niakatra taty an-drenivohitra ny razana.




Tsiazotafo
Mameno làlana ny fako
Tra-maraina mihitsy ny fakobe avelan'ireo mpivarotra amoron-dalana eny an-dalambe rehetra eny. Fako izay azo esorina tsara.
Rariny mihitsy ny an'ny fivondronana raha manala an'ireny mpivarotra amoron-dalana ireny izy. Tsy mba mahatsiaro tena amin'izay fako aterany mihitsy mantsy izy ireny, fa dia mamela izay tsy ilainy hihahaka eny amin'ny sisin-dalana eny.
Aiza ka vao maraina ny andro, dia fako tsy fako no mitsena ny mason'ny mpandeha manodidina ny toerana nivarotan'ireny mpivarotra amoron-dalana ireny, indrindra eny Analakely, Tsaralalana, Tsiazotafo Behoririka ... Baoritra ngezabe, « sachets », fonon-javatra ... izany no hita. Misy aza dia diky mihitsy no ao ambanin'ireny baoritra ireny satria misy amin'ireo mpivarotra no mitondra zazakely eny am-pivarotana. Dia manao ny ataony eo ilay zaza, ary tsy maka sarotra ny reniny manipy izany eny amin'ny sisin-dalana.
« Fako be miavosa toy izao foana no esorinay eny amin'ny
toerana ahitana mpivarotra amoron-dalana. Ary mihosona mihitsy izahay, nefa anie ireny fako dia azon'ny tompony esorina tsara.
Marina fa mpanadio lalam-bahoaka ny asanay. Kanefa na izany aza, tokony mba hisy ny fifanajana », hoy ity raim-pianakaviana mpamafa làlana iray teny Tsiazotafo.
Nosoritany fa raha ny fako esorin'izy ireo eny an-dalambe amin'ireny toerana irotsahan'ny mpivarotra amoron-dalana ireny, isan'andro no jerena dia misy aman-taoniny mihitsy. Ary feno foana ny dabam-pako.
«Tsy mba mahay mitandrina na manararaotra ireo mpivarotra rehefa mba misy hirika kely ahafahana manala ny loto. Ka aiza no tsy esorin'ny fivondronana », hoy ny mpandalo mahita ireo fako be miavosa. Tsy ny mpanadio làlana ihany koa mantsy no mahita « loza » amin'ny loto avelan' izy ireo fa ny mpandeha an-tongotra ihany koa.





Tontolo ambanivohitra
Nahatsangana « IFAP » telo ny Fekritama
Efa nandroso sahady amin'ny fiadiana amin' ny fahasahiranana ara-tsakafo misy ny Fekritama, na ny Fivondronam-ben'ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara, amin'izao fotoana izao. Tsy inona izany fa ny asa fananganana ny IFAP, «Ivontoerana fandraharahana ny asam-pamokarana».
Efa nahatsangana telo amin'izany sahady mantsy, amin'ireo distrika 15 iasany, ity Fekritama ity tao anatin'ny roa volana nanombohany ny asa.
Tafiditra ao anatin'ny programam-pirenena eo anivon'ny minisiteran'ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny fananganana an'ity IFAP ity mba hahafahana mifantoka bebe kokoa amin'ny asa fanohanana ny mpamokatra, hahazoana mampiroborobo ny fiharian-karena eny ambanivohitra sy ny fiantohana ny tsy fanjarian-tsakafo.
Omena andraikitra voalohany amin'izany ny minisitera sy ny mpandraharaha ka amin'ny alalan'ity IFAP ity no sehatra voalohany hahafahan'ny tantsaha mifanerasera amin'izy ireo amin'izay zavatra ilainy eo amin'ny asam-pamokarana ataony. Marihina fa vatsian'ny Vondrona eoropeana ity IFAP ity.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fetim-pirenena - Hisy sehatra telo eto an-drenivohitra. Mikarakara hetsika goavana entina hanamarihana ny fetin'ny 26 jona nyao amin'ny kaominin' Antananarivo renivohitra. Tapak'izy ireo tamin'izany ary, tamin'ny fivoriana nataon'ireo mpitantana ao aminy fa sehatra telo no hanaovana fihetsiketsehana eto an-drenivohitra: ny ao amin'ny garan'i Soarano, ny eo amin'ny Esplanade Analakely ary ny eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo.
«Ndao hihazakazaka» - Nametraka fitoriana ny mpikarakara. Efa tafapetraka eny anivon'ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao ny taratasy fitoriana an'ireo olona nandroba sy nanimba zavatra nandritra iny hetsika «Ndao hihazakazaka» nokarakarain'ny Média Consulting tamin'ny alahady teo iny. Mandeha, araka izany, ny famotorana.
Anjozorobe - Mpampianatra voatora-bato. Naratra teo amin'ny lohany ity mpampianatra iray tratry ny tora-baton'ny olon-tsy fantatra, ny alakamisy alina teo, teo amin'ny tetezan' Ambongona, hiditra ny tanànan'Ambatomanoina, ao anatin'ny distrikan'Anjozorobe. Nitondra ireo mpianatra hiatrika fanadinana fanatanjahan-tena ao Anjozorobe.
Nangonin'i




Fetim-pirenena
Mahavonjy ny fanamboarana harendrina
Ifandrombahan'ny fianakaviana maro ny harendrina rehefa akaiky ny fetim-pirenena. Asa an-tselika nefa mahavonjy ny fanamboarana azy.
Tapa-bolana eo sisa dia higadona ny fetin'ny 26 jona. Efa hita eran'ny tsena ireo kilalao hanamarihana izany, toy ny harendrina. Raha ny fanazavan'ity raim-pianakaviana iray, Ratiana, 45 taona, mpanao harendrina monina ao Anatihazo Isotry, dia efa hatramin'ny volana febroary izy no nikarakara ny fanamboarana harendrina. « Kely vola miasa aho no sady mitsinjo ny fahabetsahan'ny vokatra, ka aleoko any dia efa manomboka. Amin'izay tsy manenjika sy miari-tory rehefa tonga ny fotoana tena ilàna azy », hoy izy.
Araraotina koa ny vidin'ny taratasy anamboarana azy, satria miakatra be izany rehefa volana jona. Raha Ar 2 000 ny ividianana ny iray kilao teo aloha dia tafakatra Ar 2 400 izy izao.
Misy fivoarana
« Mivoatra manaraka ny toetr'andro ny asa satria efa manao harendrina amin'ny taratasy mangirana sy manify fonona fanomezana koa izahay. Atao haingon'entana fotsiny io fa tsy atao betsaka », hoy ihany Ratiana.
Izy irery ihany, raha ny fanazavany, no tena manao izany fa rehefa eo amin'ny fivarotana vao mandray anjara ny vady aman-janany. Misy koa ny maka ao an-trano miantoka ny vokatra.
Mpandrafitra no tena asan-dRatiana. Vadin'asa hanatevenana fidiram-bola ny fanaovana harendrina. Sitrany ahay satria matetika tsara ny tsena, na dia misy ihany aza ny tsy dia mahafa-po ! « Noho izaho tsy maika be manao azy dia eo amin'ny 20 isan'andro no vitako. Mahatratra any amin'ny 3 000 rehefa tonga ny fety », hoy izy.
Kapoaka vidiana Ar 20 eny amin'ny mpanao kafe sy mofo no angonina hanamboarana ilay fitoerana labozia. Ar 500 ka hatramin'ny Ar 700 no amarotany ny harendrina iray.





Faritra Ihorombe
Mirongatra ny asan-jiolahy
Notsidihin'ny jiolahy ny tranombarotra iray tao an-tampon-tanànan'Ihosy, tsy lavitra ny kaomisarian'ny polisy, andro vitsy lasa izay. Lasan'ny mpangalatra ny entana lafo vidy tao amin'ny « Botika Orange » tao Ilakaka. Tsy afa-bela koa ny toeram-pivarotana iray tao Ranohira. Tao anatin'ny folo andro teo no nisehoan'ireo asa ratsy ireo.
« Tsy azo lavina fa nisy tokoa ny firongatry ny asan-jiolahy. Azo heverina ho isan'ny nampiova kely ny zava-misy ny fanovana teo amin'ny tompon'andraikitry ny zandarimaria taty amin'ny faritra. Nararaotra ny famindram-pahefana ireo olon-dratsy », hoy Richard Daniel, lehiben'ny faritra Ihorombe. « Azo heverina fa tsy atahorana loatra ny trangan-javatra misy aty satria mbola tsy misy ny aina nafoy. Ny tompon'andraikitra rahateo efa miezaka mafy mampihatra ireo paika isakanana ny tsy fandriampahalemana », hoy ihany ny lehiben'ny faritra Ihorombe.
Etsy an-danin'izany anefa dia manahy ny mponina ao Ihosy.
« Tebiteby lava no iainana noho ny fahasahian'ireo jiolahy raha ny teto Ihosy no asian-teny. Aiza ka trano mifanolo-bodirindrina amin'ny polisy izao no iharan'ny hetraketraky ny mpanao ratsy », hoy Balina, mponina ao an-tampon-tanànan'Ihosy.




Vovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Gazoala miparitaka - Napetraka ny fitaovana harifomba. Efa tonga ao amin'ny cap Saint-André ny fitaovana harifomba an'ny tafika an-dranomasina malagasy, hitrohana ny gazoala avy amin'ilay sambo nitondra solika rendrika. Mpisitrika an-dranomasina avy any Antsiranana koa no hitily ny nahatonga ny loza.
67 ha atsimo - Ankizivavy kely maty nodonin'ny fiara. Nasidin'ilay fiara 405 nandona azy indroa ilay ankizivavy kely vao nitontona. Lozam-pifamoivoizana teny amin'ny 67 ha, omaly tolakandro, no nahatonga izany. Maty tsy tra-drano ilay ankizy. Vaky ny lohany ary ny fitaratry ny fiara teo anoloana koa dia vaky.
Boriborintany fahenina - Valo andro hanamarihana ny fetim-pirenena. Fifaninanan-kira, fampisehoana hatsaran-tarehy, soavaly hazo, rindran-kira, harendrina... Lanonana maro samihafa no entin'ny boriborintany hanamarihana ny 26 jona. Ny 21 jona hatramin'ny 29 jona ny fankalazana.
Nangonin'i




Tsena Pochard
Hiova mpitantana ny mpivarotra
Tsy eken'ny mpivarotra ao amin'i Pochard ny fanomezana ny fitakian-kaba isan'andro ho an'ny sehatra tsy miankina.
Nisahotaka, omaly, ny mpivarotra tao amin'ny tsenan'i Pochard etsy Soarano. Nambaran'ny talen'ny tsena monisipaly, Ranoasiarison Amédée, tamin'ireo delegen'ny mpivarotra teny an-toerana mantsy, raha nidina teny an-toerana ny tenany nijery ny zava-misy teny, fa homena ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny fitakiana ireo haban-tsena isan'andro ao amin'ity tsena ity « Ho fanatsarana ny fomba fiasa no antony ary hatao andrana aloha ny tsenan'i Pochard », hoy ity tompon'andraikitra ity.
Fidrikinana no setriny
Fidrikinana avy hatrany no nasetrin'ireo mpivarotra, raha nampitain'ireo delegeny taminy izany. Nosoritan'izy ireo fa tsena milamina ny ao amin'ny Pochard. « Tsy mbola nisy mpivarotra nandà ny fitakiana haban-tsena. Na ny fanamboarana ny tsena aza mbola vitanay ny niray hina, nanampy ny kaominina, nanao latsakemboka nanamboarana izany. Ary mizotra tsara ny asa », hoy izy ireo. Ny tena fanahian'ireo mpivarotra mantsy amin'ity « vaovao lehibe » reny ity dia ny mety hisian'ny fiakaran'ny haban-tsena izay 500 ariary isan'andro amin'izao fotoana izao.
« Miezaka ny manatsara sy mandamina ireo mpivarotra ato aminay izahay amin'izao fotoana izao. Averina ny fanisana sy ny fizaràm-paritra. Ary na ny fanadiovana ireo mpi-
varotra amoron-dalana izay nibahana teo ambavahadin'ny tsena aza dia nimasoana ihany koa, tsy niandrasana mpiasan'ny kaominina. Satria ny tanjona dia ny fanatsarana ny tontolo iainan 'ny mpivarotra », hoy ny delegen'ny mpivarotra, Randrianasolo na i Solo.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANTANIMENA - Tovovavy mihaja nitabataba an-dalambe.
Tsy nisy tsy taitra, omaly, ny mpandalo tamin'iny faritr'Antanimena iny, raha nahita an'ity tovovavy iray nihaja nitabataba irery teny an-dalambe. Sady ivimbina ny poketrany izy amin'io no mitondra ny entankeliny tao anaty harona izay ninoana fa avy novidiany. Sady mitsikitsiky izy amin'izany ary dia mizotra tsy taitra.
FITATERANA - Miala any ny fanampiana ny taksibe. Efa masaka ny nahandro raha ho an'ny fanjakana amin'ny fanomezana ny vola fanampiana ireo mpitatitra nampanantenaina. Nambaran'ny tale jeneralin' ny minisiteran'ny Fitaterana mantsy, omaly, fa efa nifampidinika ny amin'izany fanampiana izany izy ireo, niaraka tamin'ireo mpitatitra.
ANKORONDRANO - Mpiara-miasa nifan-dramatra. Niafara tamin' ny teny mahery sy fihetsika fandrahonana ho darohana mihitsy, omaly, ny adin'ireto roalahy tetsy Ankorondrano. Mpiara-miasa izy ireo, araka ny fizotry ny tabataba teo an-toerana, ka disadia tao amin'ny toeram-piasana no nahatonga ny olana.
Nangonin'i




Behoririka
Be mpivarotra hani-masaka
Tonga manampy isa ireo mpivarotra amoron-dalana eo Behoririka ireo mpivarotra hani-masaka, rehefa antoandro ny andro.
Manjaka mihitsy ny gaboraraka eo Behoririka eo. Tsy vitan'ireo mpivarotra amoron-dalana fotsiny ihany mantsy, izay tsy vitan'ny kaominina mihitsy aloha hatramin'izao ny manadio azy, no tazana eo an-toerana fa dia efa tonga hatramin'ny mpivarotra hanimasaka. Tsy amin'ny andro alina io fa amin'ny antoandro be nanahary mihitsy. Amin'ireny fotoana androahana ny mpivarotra amoron-dalana ireny.
Dia mamelatra latabatra voarafitra vonjimaika eo izy, rakofana selofanina. Ary dia aranty eo ny entam-barotra. Tsy misy an'ireny vata fitaratra fiarovana amin'ny vovoka sy ny fandalovan'ny valan'aretina ireny. Mihahaka fotsiny amin'izao ireo sakafo, na dia efa misy lalàna napetraky ny kaominina teo aloha ho an'ireo mpivarotra hani-masaka an-dalambe rehetra momba izany aza. Eo ny vary maina, ny
lasopy, ny composé, ny vilany misy laoka isan-karazany.
Ny an'ny sasany mantsy mba sakafo masaka entina anaty sobika be. Fa ny an'ireto kosa tena maka toerana mihitsy. Dia ho toy ny teo aloha ihany no hita eo raha izao no mitohy.
Tsy misy mpanelingelina
Eo amin'ny sisin-dalana eo amoron'ny zaridaina taloha Allée des roses eo izy ireo no mipetraka. Maka maloka amin'ny vodi-hazo eo an-toerana eo.
Ny mpiasan'ny kaominina raha manala ireo mpivarotra amoron-dalana eo Behoririka eo, dia amin'ireo sisin-dalana amin'ny arabe midina avy any Soarano iny ihany izy no miasa manao izany. Fa ireto mpivarotra hani-masaka ireto tsy voakasika. Zarany aza tsy misy mpanelingelina.
Ny mpivarotra amoron-dalana sasany moa, dia misy velon-taraina ihany amin'izy ireo, satria raha ny entam-barotr'izy ireo dia entana tsy mandoto tanàna, fa ny an'ireo mpivarotra hani-masaka, tsy vitan'ny mandoto fotsiny fa sady manentsina ny vavatatatra amin'ireo poti-kanina samihafa.





Ankorondrano
Tovolahy nikasa hanafika fiarakaretsaka
Efa teo am-piomanana ny hanafika an'ilay mpamily
fiarakaretsaka nandehanany indrindra, teny Ankorondrano ny alin'ny 10 hifoha 11 jona teo ity tovolahy iray, no sendra tsikaritr'ilay mpamily tampoka. Efa voapetany tamin'ny tanany mantsy ny fonon-tanana plastika fotsi-fotsy fampiasan'ny mpitsabo ireny. Ary efa naharay antsy izy handeha hamono an'ilay mpamily.
Raikitra teo ny fifampitolomany tamin'ilay mpamilin'ny fiarakaretsaka. Sady niantso vonjy ity farany ka poa toy izay ny famonjen'ireo polisin'Ankorondrano niambina ny fivarotan-tsolika teo an-toerana.
Nitsoaka nandositra ny anao lahy. Kanjo natahotra ny fampitandremana nataon'ny polisy ka nijanona ary noraisim-potsiny. Nitondra kitapo babena izay izy ka rehefa nojerena ny entana tao anatiny, dia fitaovana hafahafa avokoa izay nanamafy ny fikasan-dratsiny hanafika an'ilay mpamily. Hita tao na ny tady kely efa vita vona, ny formola, ny fanindromana, ny nun tchaku, ny maso lavitra, ny tapa-defona, ...




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tsena Pochard - Tsy hihetsika ny saran' ny haba. Noho ny tsy fahampian'ny haban-tsena miditra ao amin'ny kaominina, araka ny fanazavan'ny lefitry ny ben'ny tanànan'Antanana-rivo Serge Radert, no nanomezana an'ireo antokon'olona ny fitakiana ny haban-tsena ao amin'ny tsena Pochard. Nanaovana tolotr'asa mihitsy izy ity. Tsy hiova izany ny haban-tsena.
Mandrosoa Ivato - Hotsaboina any ivelany ilay Karana. Rakotry ny dian-dratra, ilay Karana lahy nokasain'ireo jiolahy halaina an-keriny teny Mandrosoa Ivato, afak'omaly hariva. Handeha hitsabo tena any ivelany izy. Efa tonga eny anivon'ny zandary moa ny raha-raha. Raha ny fantatra dia efa fanindroany izao ity Karana ity no niharan'ny herisetra toy izao.
Imerinafovoany - Mpiambina nisy namono. Nivalampatra teo amin'ny tany tao amin'ny garazy ilay mpiambina teny Imerinafovoany. Tompona fiara tao amin'ilay garazy no nahita izany. Ny fiaran'ity farany ity koa moa very rahateo. Moto iray sy kodiaran'ny fiara ihany koa very tao.
Nangonin'i




Andavamamba
Be mpanaraka ny Euro 2008
Be mpankafy ny lalao baolina kitra iadiana ny amboaran'i Eoropa 2008. Feno olona ny Foibe ara-tsaina frantsay eny Andavamamba.
Mandefa amin'ny écran géant ny lalao baolina kitra iadiana ny amboaran'i Eoropa 2008 atao any Soisy sy Aotrisy, isan'andro ny Foibe ara-tsaina frantsay eny Andavamamba. Isaky ny misy lalao fifanintsanana dia saika tomefy olona manaraka ity lalao ity hatreny amin'ny sisin-dalana.
Amin'ny alina foana ny lalao no mandeha, mamirifiry ny hatsiaka, mifafy ny erika, fa tsy misy miala ireo mpankafy. Ny ankanjo no atao matevina dia samy eo. Ao ny mijorojoro, ao ny maka toerana, mipetrapetraka eny amin'ny bozaka...
Raha ny fanazavan'i Andry sy Ranto ary Rija, anisan'ireo mpijery baolina tonga teny an-toerana omaly alina, dia misy fahafinaretana kokoa, raha miohatra amin'ny any an-trano mijery fahitalavitra, ny eny ankalamanjana eny Andavamamba. « Ao an-trano izahay tsy afa-mihoraka sy mitabataba. Aty izahay afaka manao izay tianay hatao », hoy izy ireo. Mpinamana avokoa izy ireo ary samy mpankafy baolina kitra.
Fanomezana fahafaham-po
Any Andranomanalina anefa izy telolahy ireto no mipetraka. Ary dia mahavatra mandeha an-tongotra mamonjy ny « lera » fandehanan'ny baolina eny Andavamamba. Nosoritan'izy ireto rahateo, ary nohamafisin'ny tompon'andraikitra iray ao amin'ity foibe ara-tsaina frantsay ity, fa mandefa ireo lalao rehetra miseho any Soisy ny ao amin'ity foibe ity, fa tsy voafetra toy ny an'ny fahitalavitra eto an-toerana.
Amin'ireo lalao tsy alefan'ny fahita lavitra nasionaly no nosoritan'izy efa-dahy fa tena mahabetsaka ny mpijery baolina eo Andavamamba.
Ho fanomezana fahafaham-po an'ireo mponina eny amin'ny manodidina moa, raha ny fanazavana azo, no nanaovan'ity foibe ity an'izao fanapariahana ny lalao baolina kitra izao.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANKAZOBE - Fiara mpitatitra nivarina tany an-kantsana. Vokatry ny fifanenàn'ny fiara 404 familiale tamina minibus mpitatitra avy tany Mahajanga, omaly hariva tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany, dia nivarina tany anaty hantsana ilay fiara mpitatitra. Hantsana sahabo ho fito metatra eo no nivarinany. Naratra avokoa vokatr'izany ireo mpandeha 14 tao anatiny.
TSARALALÀNA - Nisavoritaka ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy nisy tany nivarotana ireo mpivarotra amoron-dalana tao Tsaralalàna omaly maraina. Sasatry ny mangorona sy mamelatra entana mantsy izy ireo noho ny tahotra sy ny fandosirana ny polisy kaominaly.
ANKORONDRANO - Tovovavy novonoin'ny sakaizany. Tsy tahotra tsy henatra mihitsy, afak'omaly hariva tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany, ity tovolahy iray nidaroka ny sakaizany teny an-dalambe. Ny totohondry beny mihitsy no nandarohany an'ilay tovovavy niaraka taminy.
Nangonin'i




Foloalindahy
Manomana alim-pikoranana ny tafika
Manana fahaiza-manao hafa koa ny tafika, ankoatra ny fihazonana basy sy ny fitandroana ny fandriampahalemana. Haneho sy hampahafantatra izany izy ireo ny zoma ho avy izao.
«Sahoby 2008 », io no anarana nomen'ny tafika malagasy ny hetsika ara-javakanto karakarain'izy ireo eny amin'ny Cemes Soanierana, ny zoma ho avy izao, manomboka amin'ny 8 ora alina. Ho hita ao anatin'izany, araka ny fampitam-baovaon'ny sampana fifandraisana eo anivon'ny etamazaoron'ny tafika, rehefa mety ho karazana zava-kanto misy eto Madagasikara, toy ny kalon'ny fahiny, ny dihy nentin- drazana, ny vako-drazana, ny hira madinika, ny karazan-kira mafana izay mampiavaka ireo faritra samihafa ...
Mpanakanto maro, araka izany, toa ny tarika Voninavoko, Njakatiana, Lianah... no handray anjara hanafana ny lanonana. Na izany aza, tsy ho diso anjara ny tafika malagasy izay azo lazaina fa manana ny sampana zavakanto ihany koa amin'ny alalan'ny mpitsoka mozika ao aminy. Ny etamazaoro jeneralin'ny tafika mihitsy no mikarakara azy ity izay nikendrena indrindra ny hampivoarana ny lanjan'ny kolontsaina malagasy fa indrindra ny maha-Malagasy.
Eo ihany koa ny fanomezana hasina ny tafika malagasy sy ny fampivoirana ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
Sambany teo amin'ny tantaran'ny tafika malagasy no nisy izao hetsika izao, izay azo lazaina fa tafiditra indrindra ao anatin'ny fanamarihana ny fetim-pirenena, ny 26 jona. Nefa ihany koa tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny tsingerin-taona niorenan'ny tafika malagasy, ny faha-48 taonany.
Rehefa nambara tamin'io daty io ny fahaleovan-tena, dia napetraka koa ny tafika. Hisy, araka izany, ankoatra ny fampisehoana isan-karazany, ny fanehoana amin'ny alalan'ny takelaka goavana ny tantaran'ny tafika, ny
antom-pisian'ny fanevany, ny fanamiana isan-karazany manomboka tany amin'ny taon-jato faha-19. Misy ihany koa eo anivon'ny tafika ny antsoina hoe « fomba amam-panao » izay mipetraka eo amin'ireo andiany indray mihira ary dia ho fantatry ny rehetra mandritra io hetsika io izany rehetra izany.





Talatamaty
Nanadio lakan-drano ny tantsaha
Lakan-drano lehibe mirefy 3,5 km avy ao amin'ny kaominin'i Talatamaty, miainga ao Ankotrika ao amin'ny fokontany Tanjondava, no nifandrombonan'ireo tantsaha marobe avy ao amin'ny kaominin'i Talatamaty nodiovina, ny asabotsy teo. Ny ben'ny tanana ao aminy, Rado Razafindratsimba, no nitarika ny hetsika ka nanazava tamin'ireo tantsaha mpampiasa rano ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ity lakan-drano ity.
Lakan-drano lehibe ao anatin'ity kaominina ity izy io satria iankinan'ny fanondrahana tanimbary hatrany amin'ny 700 ha. « Efa hiditra amin'ny voly avotra mantsy ny tantsaha amin'izao fotoana izao ka izay no antony nanaovana ity hetsika ity, nanentanana ireo tantsaha », hoy ny ben'ny tanàna Rado Razafindratsimba.
Nosoritany mantsy fa mihetsika fatratra tokoa ireo tantsaha ao aminy raha izay filofosana amin'ny fambolena izay no resahina. « Nahavelom-bolo ny zavabitan'izy ireo ny taom-pambolena farany teo satria nisy tamin'ireo tantsaha tao no nahatafavoaka voka-bary hatrany amin'ny sivy taonina isaky ny hekitara raha folo taona isaky ny hekitara no notratrarina. Izay no ezahina hatsaraina sy hampitomboina », hoy ihany ny ben'ny tanàna.
Ankoatra ny voly vary dia azo lazaina fa sompitry ny famokarana legioma ihany koa ny tantsaha ao Talatamaty satria anisany mamatsy tanàn-dehibe hafa ihany koa izy. Ary dia efa mikarakara masomboly ho azy ireo, araka izany, ny kaominina.




Fakana an-keriny
Mpiambina roalahy ahiahiana
Mpiambina roalahy tao amin'ilay teratany karana nisy nikasa haka an-keriny teny Mandrosoa Ivato, ny harivan'ny alarobia lasa teo, no indray nohazonina ao amin'ny borigadin'ny zandary ao Talatamaty. Noho ny fiahiana azy ireo ho nifandray tendro tamin'ireo jiolahy nanafika sy nikasa haka an-keriny ny mpampiasa azy no voalaza fa anton'izany.
Ny alakamisy ihany, taorian'iny zava-nitranga iny dia efa nipetraka teny anivon'ny mpitandro ny filaminana ny fitarainan'ny fianakavian'ity olona niharam-boina ity ary nanomboka teo ny fanadihadian'ny zandary. Dia izao niafara tamin'ny fihazonana ireo mpiambina roalahy niasa tamin'io andro io.
Ilay karana moa, araka ny nitateran'ny gazety samihafa azy, dia naratra mihitsy nanaovan'ireo jiolahy azy ary voatery nentin'ny fianakaviany any ivelany nitsabo tena.
Marihina fa mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny fivarotana kojakojam-piarakodia ity farany nokasain'ny sasany halaina an-keriny ity.
Anio moa ireto mpiambina ireto, raha tsy misy ny fiovana, no fantatra fa atolotra ny Fampanoavana eny Anosy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANKAZOBE - Iray maty, 13 naratra navadiky ny fiara. Nipitika tao anaty fiara ary tafavoaka tety ivelany no nahafaty ity mpandeha iray tao anaty « minibus » avy any Mahajanga, niharan-dozam-pifamoivoizana tao amin'ny faritr'Ankazobe, ny zoma hariva teo. Voatsindrin'ny fiara izy.
Ireo mpandeha 13 hafa niaraka taminy kosa naratra. Fifanenana tamina fiara 404 no nahatonga ny loza.
FAMPIANARANA - Mpianatra 440 000 hiatrika CEPE. Tanterahina anio ny fanadinana CEPE. Mahatratra 400 000 mahery ny mpiadina hiatrika izay hiparitaka amin'ireo foibem-panadinana 1 175. Taranja fito no ho atrehina. Manomboka amin'ny 8 ora maraina ny fotoana.
Nangonin'i




Asa tanana
Nitondrana ny mangidy ny fankafizana sary
Lasa asa fameloman'i Mily ny vady aman-janany ny fankafizany sary fony kely. Nizakany ny mafy anefa izany vao tafavoaka izy. Manao sary amin'ny lamba no asany ankehitriny.
Ny zavatra tiana tsy maintsy ilofosana ary tsy maintsy mizaka ny mafy vao mahita vokatra. Izay no fanazavan'i Mily Razafimahefa, mpanao sary amin'ny lamba (sérigraphie), etsy Antohomadinika. Nanazava ny làlana nodiaviny izy ka nahatongavany tamin'ity fanaovana asa tànana amin'ny fametahana sary amin'ny lamba ity.
Nosoritany mantsy fa tsy mba nanana ireny olona mpanohana sy mpanosika ireny izy tamin'ny nahatongavany tamin'izao asany izao, fa dia ny tenany samirery. « Ny vadiko ihany izany, raha izay no azo lazaina, no mba hany nanohana ahy tamin'io asako io. Satria nisy fotoana izahay nanao an'ireny cartes de voeux amin'ny endriny vita malagasy ireny, dia izaho no manao ny sary sy ny soratra, ary ny vadiko no manao ny peta-kofehy aminy », hoy izy.
Efa mpankafy sary hatry ny fahakeliny i Mily ka tsy sarotra ho azy ny fanaovana ireny kisarisary ireny, izay tsy nijanona teo amin'ny taratasy fotsiny ihany fa nihitatra hatrany amin'ny lamba mihitsy. « Zanak'olona sahirana aho. Izahay rahateo maro mianadahy, ka tsy maintsy nikofoka mafy rehefa misy zavatra ilaina », hoy ihany i Mily.
Voarohirohy
Anisan'ireo làlana nodiavin'i Mily tamin'izany, nanombohany an'izay fankafizany manao sary izay, raha ny fanazavany, ny fikaramana nantsaka rano nentina nividianana fitaovana. « Mbola nianatra aho tamin'izany. Saingy noho ny fankafizako sary ka te-hanana fitaovana momba izany, dia tsy maintsy nikarama aho », hoy izy.
Teo ihany koa ny fambolena sy ny fiompiana, ny fiasa tamina trano mpamokatra sary amin'ny tantara an-tsary, ny fanaovan-gazety, ny fanaovana sary hoso-doko, ny fikarohana mpividy ...
Fa ny zavatra tena nangidy indrindra niainan'i Mily tamin'ity fanaovany ny asa tiany indrindra ity, raha ny fitantarany, dia ny fidirany am-ponja, tamin'iny taona 2006 iny. « Voarohirohy tamin'ireny tee-shirts nisy ny famantaran'ny orinasa mpamokatra zava-pisotro ireny ny tenako tamin'izay. Asa nampanaovin'olona ahy ilay izy. Am-bolana maro no nihobohako tao am-ponja tamin'izany. Fa afaka madiodio aho rehefa nandeha ny fitsarana », hoy izy. Io anefa no asa amelomany ny vady aman-janany.
Efa mandeha irery moa i Mily amin'izao fotoana izao, ary azo lazaina ihany koa fa mba efa manana fitaovana àry fomba ampiasaina amin'izany izy, na dia tsy lavorary aza.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ihosy - Fiara-na manam-pahefana nifandona. Nifandona, raha handeha hitsidika ny Valabe ao amin'ny kaominin'i Zazafotsy, ny fiaran'ny senatera sy ny depiote avy amin'iny faritr'Ihorombe iny. Fiara maromaro izy ireo no nitandahatra tamin'izany. Kanjo nisy fiara nijanona tampoka tao anatin'izy ireo, ary izay no nahatonga ny loza. Ratra maivamaivana daholo no nahazo ireo manam-pahefana, fa ny fiara no nisy fahasimbana betsaka.
Mahajanga - Tantsambo 20 lahy tsy navela handeha. Sambo mpanjono iray nentina teratany vahiny, no nogiazan'ny manam-pahefana any Mahajanga, tsy navela hihetsika, ny herinandro teo. Noho izy ireo nanao jono tsy ara-dalàna no voalaza fa anton'izany fanapahan-kevitra izany. Nohazonina araka izany ihany koa ny pasipaoron'ireo tantsambo 20 lahy tao anatiny.
Lozam-pifamoivoizana - Mpandeha efatra maty tsy tra-drano. Namono olona efatra indray, ny faran'ny herinandro teo, ny lalam-pirenena fahefito. Fiara Mercedes Berline iray avy any Ambalavao hiakatra ho aty an-drenivohitra no niharan-dozam-pifamoivoizana tamin'izany, tao Camp Robin. Nivadika teo am-povoan-dalana ilay fiara raha tafavoaka ny fiolahana.
Nangonin'i




Fitadiavana
Mahavelona ny famarotana voanjo
Tsy misy asa ratsy sy ambony fa rehefa ifikirana mahasoa daholo. Ahazoana tombony tsara na dia mitsimpona amin'ny ariary aza ny famarotana voanjo.
Tsinjaraina amin'ny 50 ariary, ariary zato... 700 ariary ny farany ambony, ny vidin'ny voanjo, fa ahazoana tombony tsara. Renim-pianakaviana iray mpivaro-boanjo eny Analakely no nanazava izany. Nosoritany, araka izany, fa mahavelona tsara ny famarotana voanjo.
« Iray gony isan'andro, eo amin'ny 35 kilao, eo no lafoko eto. Somary nampitomboina kely izany amin'izao ririnina izao satria mandeha be ny tsena noho ny hatsiaka », hoy izy. Manome menaka mantsy izay manome hafanana, fa indrindra ny hery fiasana sy ny hery fiarovana ary ny vitamina A, araka ny fanazavan'ny mpitsabo, ny voanjo.
Mpikarama manendy
Ka izay no mahatonga ny olona hihinana azy io rehefa mangatsiaka ny andro. Eny Anosibe izy no mandeha mividy voanjo, « voanjo efa vita vaofy amin'ny akorany ». Entina any amin'ny mpanendy azy iny avy eo ary mandray ny masaka fotsiny izy. Efa misy mpikarama manendy voanjo fotsiny mantsy, raha ny fanazavany, eny Anosibe eny, ka izay no tsy hanaovany izany. « 30 ariary isaky ny kilao no karama manendy ary voanjo amin'ny kitapo mihitsy no alefa eny mba tsy ho faty antoka », hoy ihany izy.
Efa an-taonany maro mihitsy izy, raha ny fanazavany ihany, no nivarotra voanjo teo Analakely teo. « Tsy manana entam-barotra amidy hafa afa-tsy ny voanjo aho », hoy izy. Io no nambarany fa amelomany ny ankohonany.
Misy karazany roa ny voanjo, dia ny voanjo marakely sy ny voanjo menakely. Somary bebe menaka izay ilay voalohany ka io no nosoritany fa be mpividy kokoa. Io rahateo no saika hita mitobaka eny amin'ny tsena rehetra eny. « Tsy dia misy mpanao firy ny voanjo menakely », hoy ireo mpivarotra namany.
Toy ny fandehan'ny varotra rehetra, rehefa tonga ny fotoana filàn'ny tsena azy dia miakatra ny vidiny. Tratr'izany ihany koa ny voanjo satria raha ny nanipihan'ireo mpivarotra azy dia takatra any amin'ny 1 700 ariary any ny kilao hakan'izy ireny azy amin'izao fotoana izao (vidiny ambongadiny aza izany) raha 1 400 ariary eo izany teo aloha. « Vao telo volana teo izay ity fiakarany ity », hoy ity tovovavy iray.





Faritr'i Melaky
Narovana ireo mpizaha tany
Nirotsaka an-tsehatra nanaraka, niaro ireo mpizaha tany, nandeha namakivaky ny reniranon'i Mahajilo mihazo an'i Tsiribihina ary mijotso eo Belo iny, ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny sambo kely nananany. Tany amin'ny faritr'i Melaky no nitranga izany, ny 11 jona lasa teo.
Sady tafiditra ao anatin'ny fitsikilovana ny asan-jiolahy izay asa imasoan'ny zandarimariam-pirenena izany hetsika nataon'izy ireo izany. Saika lasibatry ny asan-dahalo tokoa mantsy tato ho ato ireny mpizaha tany ireny rehefa mandeha any ambanivohitra lavitra any, ka izay no antony nandraisan'ny tompon'andraikitry ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana izao fepetra izao.
Ao anatin'izany asa izany ihany koa ny fiarovana ny ain'ny mpandeha, amin'ny fiampitana ny rano be toy itony. Eo ihany koa anefa ny fanaraha-maso ny fiarovana ny tontolo iainana.




67 ha
Jiolahy tratry ny polisy
Saron'ny polisin'ny sampana heloka bevava teny amin'ny 67 ha, ny zoma lasa teo, ny jiolahy raindahiny iray kalaza amin'ny fanaovana asam-panafihana. Nandeha teny an-dalana niaraka tamin'ny namany izy no tratra tamin'io fotoana io, na dia niezaka ny nanova endrika sy fomba fitafy aza.
Ny fanafihana tamin'ireny lalam-pirenena ireny, ny lalam-pirenena fahefatra sy ny fahafito iny, no voalaza fa tena asa ratsy fanaon'ity jiolahy ity. Anisan'ny tena nitondra faisana tamin'izany, ankoatra ireo mpandeha fiaram-pitatitra, ireo mpividy omby handeha hamonjy tsena.
Maro, araka izany, ny efa nitondra takaitra vokatr'izany asa ratsiny izany. Tsy mandeha irery moa izy tamin'
izany fa nanana namana efa mpiaraka aminy. Ato ho ato moa izy no atolotra ny Fampanoavana eo Anosy.




Fandikan-dalàna
Fiara mpitatitra am-polony nohazonina
Tratra avokoa ireo fiara mpitatitra avy any Ivato, Ambohidratrimo ary Mahitsy, manary mpandeha antenantenan-dalana.
Notsimponin'ny tompon'andraikitry ny masoivohon'ny fitaterana an-tanety (ATT), ambany fiahian'ny minisiteran'ny Fitaterana, notarihin'ny tale jeneraliny Rakotondrajao Sammuel, niaraka tamin'ny zandary, ireo fiara mpitatitra fatra-pandika lalàna. Afak'omaly hariva teo amin'ny 7 ora sy sasany ka hatramin'ny 8 ora sy sasany izany, ary ny zotra mampitohy an'Antananarivo sy Ivato, Ambohidratrimo ary Mahitsy no voakasika.
Ireo tsy manaja izay voasoratra ao anaty boky firaketan'ny fiara ka manary ny mpandeha antenatenan-dalana izany. Fiara efa ho 20 anatina kaoperativa telo (Fifiabe, Fanantenana, Kofiam) no tratra tamin'io teny Andranomena.
Mila faizina mafy
« Efa zavon-tany mihitsy ny fitarainan'ny mpandeha tonga any aminay. Efa niteny sy nampitandrina izahay amin'ny hanajàny ny lalàna, fa mbola mitohy ihany ny fihetsika fanariana mpandeha eny antenantenan-dalana. Ny saran-dalana anefa raisiny feno », hoy ity tompon'andraikitra ity.
Koa satria efa nahintsan'ireo mpamily teo Andranomena ny mpandeha, dia iny ihany koa ry zalahy nasaina nijanona ary nentina namonjy ny biraon'ny kaominina eny Antehiroka, nohazonina.
Toy ny nilatsaham-baratra ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Tratry ny tsy nampoiziny. Vao mainka nanampy trotraka, toy ny nandatsa ihany koa ny kaoperativa misy azy, toa ny filohan'ny Fifiabe, Rahaga Eloi. « Tsara mihitsy ny famaizana. Tokony ho esorina mihitsy ny taratasy fahazoan'ireo mpamily mitondra fiara », hoy izy.
Nanamafy ny tompon'ny fiara, araka ny fanazavan'i E.R : « Tsy miray tsikombakomba amin'ireo mandika lalàna
izahay. Rehefa jerena, tsy ny polisy na zandary no ratsy fa ireo mpamily fiara no mafy sofina, sarotra tenenina ! ».
Raha ny fanazavan'ny lefitra voalohan'ny ben'ny tanànan'Antehiroka, Ranaivoaritsimba Céléstin, dia mila mandoa ny saziny izy ireo, telo andro raha faran'ny kely, vao afaka mandeha. 600 ariary eo isaky ny tanjaky ny fiara no tokony ho haloany amin'izany ao anatin'ny fotoana ihazonana ny fiara.





Fitsarana
Ampifanatrehina ireo voarohirohy
Tsy mbola vita, fa hiditra amin'ny andro fahatelo androany ny famotoran'ny lehiben'ny Fampanoavana an-dry « Bolo », na ny kaomisera Razafindrazaka Emmanuel, sy ny kolonely Kasimo eny Anosy. Tsy nisy nipika ary tsy mbola misy valiny ny famotorana hatr'eto. Na izany aza dia fantatra fa mbola nijanona teo amin'ilay raharaha fikasana hangalatra sy hamoaka fitaovam-piadiana teny amin'ny toby miaramila RTS Fiadanana aloha ny famotorana. Tsy mbola noresahina ny fanonganam-panjakana, izay voalazan'ny fampahalalam-baovao fa anisan'ny mahavoarohirohy azy ireo.
Ny maraina ka nitohy ny tolak'andro izy ireo no nohadihadiana tamin'io raharaha voalohany io.




Fetim-pirenena
Midina ny vidin'ny saina
Araka ny fandroson'ny fotoana no mampidina ny vidin'ny sainam-pirenena entin'ny mpivarotra. Milatsaka hatrany amin'ny 2 000 ariary any mantsy ny vidin'ny saina kely ny raha 3 000 ariary tsy latsaka ny namarotany azy teo aloha. 7 000 ariary ka hatramin'ny 10 000 ariary kosa ny lehibe indrindra raha 12 000 ariary no nanaovany azy taloha.
Nambaran'i Sylvain Rakotoarivony sy Tiana Rakotondrazafy, mpivarotra, fa noho ny tsena tsy dia mandeha firy intsony no anton'izany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankazobe - Olona roa naratran'ny lozam-pifamoivoizana.
Nifandoana tao anaty fiolahana tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, omaly tao Andranonahoatra distrikan'Ankazobe, ny fiara roa, fiara iray lehibe misy vata fampangatsiahana nitondra trondro avy any Mahajanga sy fiara 407 iray nitondra mpanao vakodrazana ho any amin'iny faritra avaratra andrefana iny. Naratra vokatr'izany ny mpamiliny niaraka tamina mpandeha iray teo akaikiny
FAMONOAM-BADY - Nentin-javatra ilay
raim-pianakaviana. Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ilay raim-pianakaviana nikapakapa ny vadiny tany Ambatomanoina ny herinandro teo. Raha ny fanazavany tamin'ny famotorana nataon'ny zandary azy dia toy ny nentin-javatra izy. Noheveriny ho hazo, araka izany, ilay vadiny nokapainy.
Famonoana zandary - Olona dimy voarohirohy.
Natolotra ny Fampanoavana, omaly tolakandro, ireo olona dimy voarohirohy tamin'ilay famonoana zandary teny Ankatso, tapa-bolana lasa izay. Saika fianakaviana iray izy ireo, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin'i




Kojakojam-piara
Be mpankafy ny kodiarana efa niasa
Mandeha daholo ny entana efa niasa eto amintsika. Anisan'izany ny kodiaran'ny fiara. Sady mora no tsara.
Dia toy ny lamba tonta avy any ivelany ihany, ankafizin'ny olona maro ihany koa ny kojakojam-piara efa niasa. Voalohany amin'ireny ny kodiarana. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Andria-nirina Jean Baptiste, antsoina hoe Dida (satria izany no anaram-bositra ahafantaran'ny maro azy), mpivarotra kodiarana eny Ambodivona, dia mandeha tokoa ny tsenan'ny kodiarana efa niasa. « Efa am-polo taona maro no nanaovako an'ity asa famarotan-kodiarana ity. Tsy mbola nanambady aho no efa nanomboka izany. Ary dia mbola izao hita ankehitriny izao », hoy izy.
Efa manambady i Dida amin'izao fotoana izao. Roa ny zanany. Ary io asa nisantarany ny fitadiavany io no entiny hamelomana ny vady aman-janany. « Betsaka ny asa azo hatao fa ity no nanavanana ahy sy nahitako soa. Dia mijanona eto aho », hoy ihany izy nanamafy izay nolazainy.
Mora vidy
Antony iray lehibe no heveriny fa mahatonga ny tompona fiara hisafidy ny kodiarana efa niasa, dia noho izy mora vidy. Izany hoe azo ihodivirana ny vidiny raha miohatra amin'ny eny amin'ny magazay. 40 000 ariary ka hatramin'ny 60 000 ariary any dia efa mahazo an'
ireny kodiarana kely ireny, arakaraka ny marik'ilay
entana sy ny refiny. Manodidina any amin'ny 160 000 ariary ka hatramin'ny 200 000 ariary any mantsy izany raha vaovao. Toy izany ihany koa ny kodiaran'ny kamiao, 200 000 ariary eo dia efa mahazo. Izany hoe zakan'ny fahefa-mividin'ny maro tsara. Ny entana anefa azo ampiasaina tsara ary maharitra am-bolana maro.
Kodiarana niasa avy any ivelany no nambaran'i Dida fa amidiny eo amin'ny tsenany eo Ambodivona. Vidiana any amin'ireo olona mpanafatra fiara sy kodiarana avy any ivelany.
« Toerana maro no fakanay entana, eny amin'ny 67 ha, Talatamaty, Ambatomaro, Ampefiloha, Ankasina... ary misy faktiora ara-dalàna ny fividianana izany. Omena taratasy famandrihan'entana izahay, ary rehefa azo ny entana dia omena faktiora indray », hoy izy.
« Tsy mividy kodiarana entin'olona mihitsy izahay mba hialana amin'ny entana halatra », hoy izy nanipika sady namarana ny teniny.





Ihorombe
Nampiharina ny « kalony »
Toy ireo faritra maro efa mampihatra azy dia nampiharina any amin'iny faritr' Ihorombe iny ihany koa ny « kalony » na ny fiambenana tsy tapaka isan-tanàna izay andraisan'ny fokonolona anjara miaraka amin'ireo mpitandro ny filaminana. Tao amin'ny kaominin'i Satrokala, distrikan'Ihosy, any amin'iny faritra Ihorombe iny, no nisantarana ny fametrahana izany. Ny kapiteny Ranaivoarison Théodule, komandin'ny
vondron-tobim-paritry ny zandarimaria any an-toerana, natrehin'ireo mpikambana ao amin'ny OMC/REG, nahitana ny ben'ny tanàna, ny lehiben'ny Service civique Ihorombe, ny kolonely Rasolo-foson Daniel Arthur, ary ireo vatan-dehilahy rehetra, no nitarika ny fotoana sy nanatanteraka izany.




Antananarivo
Manomboka ny fety
Asaramanitra tokoa ny andro ! Ho an'Antananarivo dia efa nanomboka, omaly, ny lanonana hanamarihana ny fetin'ny Fahaleovantena. Ny fiaraha-misakafo nataon'ny ben'ny tanàna, Andry Rajoelina, tamin'ireo olona manana fahasembanana no nisantarany izany, omaly, teny amin'ny kianja mitafon'i Maha-masina. Ary nanaraka ny tolakandro ny fihetsiketsehana teny amin'ny Esplanade Analakely. Niarahan'ny kaominina tamin'ny orinasa Telma ity hetsika ity ka nisy, araka izany, ny tranoheva isan-karazany nampisehoana ireo vokatry ny orinasa.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
HALATRA FITAOVAM-PIADIANA - Manamboninahitra iray nofotorana. Tsy nentina teny amin'ny Fampa-noavana intsony, omaly, i Bolo na Razafindrazaka Emmanuel, sy ny kolonely Kasimo, voarohirohy tamin'ilay halatra fitaovam-piadiana tao amin'ny toby RTS Fiadanana. Na izany aza anefa, mitohy ihany ny fanadihadiana ataon'ny lehiben'ny Fampanoavana mikasika an'ity raharaha ity ary manamboninahitra iray hafa avy ao amin'ny foloalindahy no nofotorana teny an-toerana, omaly.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA - Hanome entana mora vidy ho an'ny sahirana.
Hisy ny fanisana hatao isam- pokontany, hanavahana ireo mponina sahirana. Hatsangana atsy ho atsy mantsy, raha ny fanazavan' ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina,
ny karazana tsena ho azy ireo hahafahany mividy entana amin'ny vidiny mora. Tsy ho diso anjara fa hahazo izany ihany koa ny sembana sy ny zokiolona.
FAMPIANARANA - Tapitra anio ny taona 2007-2008. Saika anio avokoa no vakansy ny ankamaroan'ireo mpianatra, indrindra fa ny ankizy madinika any amin'ny ambaratonga voalohany, eo anivon'ny sekoly tsy miankina. Mifarana, araka izany, ny taom-pianarana 2007-2008.
Nangonin'i




Andavamamba
Miaina amin'ny rano maloto ny mponina
Tanàna mando, anaty rano no hita eny amin'ny fokontanin'Andavamamba Anatihazo. Mitobaka eny amin'ny lalankely ny rano.
Ao anatin'ny fotoanan'ny main-tany tsara isika izao, nefa ny mifanohitra amin'izany no hita, raha ny eny amin'iny fokontanin'Andavamamba Anatihazo I, faritra faharoa iny no resahina. Potika sy dobo rano ny lakan-drano ary mila tsy hisy tany hodiavin'ny tongotra mihitsy ny any amin'ny faritra sasany.
Misy trano sy tanànan'olona mihitsy aza, toa ny an-dRamboafiringa Jean de Dieu, feno rano. « Rano be hatreny amin'ny ranjo no ato amboditranoko ato. Ary efa miditra eto an-tokotaninay izy io satria efa manomboka feno rano ny ilany avaratra andrefana », hoy izy.
Nosoritany fa noho ny fahafenoan'ireo lakandrano samihafa mamakivaky ny ao anaty tanàna manodidina azy no loharano nahatonga an'izao fahatondrahan'ny rano ao an-tanànany izao. Tsy tafavoaka ny rano ary dia dobo rano ao daholo na tanàna na làlana. Ny elakela-trano sasany aza efa tetezan-kazo no andehanana.
« Efa hatramin'ny ela mihitsy izahay mponina ety amin'ny fokontany ety no nitaraina tany amin'ny fokontany ny amin'ireo lalankely ety aminay ireo. Nisy mihitsy aza ny fanangonan-tsonia natao. Fa tsy misy valiny izany hatramin'izao », hoy ny mponina.
Tsy misy fanafany
« Tsy mandray andraikitra ny fokontany eto aminay. Hany ka ireo mponina eo amin'ny manodidina izay andalovan'ilay lakandrano mihitsy no mirotsaka an-tsehatra manao tsipaipaika, manakarama olona manadio izany », hoy Razafimbahoaka, renim-pianakaviana iray monina eny an-toerana.
Tovolahy teo amin'ny dimy teo, omaly, no nihosom-potaka mainty, nokaramain'ny mponina nanadio ny lakandrano tao anaty tanàna. Ny fako sy ny fotaka ihany koa anefa no voaisotra fa ny rano tsy misy fanafany mihitsy noho izay tsy fisian'ny fivoahany izay.
Nosoritan'ireo mponina teny an-toerana fa teo amin'ny roa taona teo izay no nahadobo rano ny faritra misy azy toy izao. Izany hoe hatramin'izay nanamboarana ny lakandrano tany atsinanan'ny tanàna tany.





Polisim-pirenena
Kaomisera misotro ronono
Nandao tanteraka ny asan'ny polisim-pirenena ny commissaire divisionnaire de police Baritoa Silvère Andriamampandritany. Nandeha nisotro ronono omaly tokoa mantsy ny tenany. 31 taona no vitany tamin'ny asa nahapolisy azy ary saika voatetiny daholo ny sampan-draharaha samihafa eo anivon'ny polisim-pirenena.
Ny sampan-draharahan'ny fampitam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin'ireo andrim-panjakana no andraikitra farany nohazoniny izy izao nandeha nisotro ronono izao, ary izy no lehiban'izany sampan-draharaha izany.
Na dia goavana aza ny fitandroana ny fandriampahalemana eo amin'ny asan'ny polisy dia nanana talenta nampiavaka azy ny kaomisera Baritoa, dia ny fahaizana mikolokolo ny tontolo iainana. Nentiny napariaka teo amin'izay toeram-piasana nosahaniny izany ka « tanàna » maitso sy mahafinaritra avokoa no hita tamin'ireo birao niasàny. Izy moa be vazivazy sy tia tsikitsiky rahateo ary dia toy ny nandeha ho azy ny fiarahana niasa taminy.
Polisy ihany koa moa ny vadin'ny kaomisera Baritoa Andriamampandritany, ny officier principal de police de classe exceptionnelle, Solonirina Baritoa, ary dia niara-nisotro ronono taminy ihany koa tamin'ity taona 2008 ity.




Fitsarana
Niatrika ambarantonga ambony i Pety Rakotoniaina
Andrasana amin'ny 4 jolay ho avy izao ny didim-pitsarana mahakasika an'i Pety Rakotoniaina, izany hoe ilay halatra fiara 4x4 tao amin'ny governoran'i Fianarantsoa. Niatrika fitsarana tamin'izany indray mantsy, Fitsarana ambony, ny tenany ary toy ny valin-teniny tao amin'ny Fitsarana ambarantonga voalohany ihany, izany hoe fandavana avy hatrany, no mbola valin-teniny tamin'ity ambaratongam-pitsarana faharoa ity. Tsiahivina fa voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina izy tao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany.




Asa tanana
Sarotra hita ny hazo
Misedra olana ny mpanao fanaka. Tsy mahita hazo ampiasaina, indrindra fa ny hazo sarobidy toy ny voamboana.
Fahoriana ny mahazo ny mpanao asa tanana malagasy, eo amin'ny sehatry ny rafitra, amin'izao fotoana izao, satria tsy mahita hazo enti-miasa. Manomboka any amin'ireo hazo sarobidy izany, toy ny voamboana, varongy, hazo ala... ka hatrany amin'ny hazo tsotra (ordinaire).
« Tena tsy misy mihitsy izy amin'izao fotoana izao. Nefa ireny no tsara sy be mpitady raha anaovana fanaka. Tsara vidy ihany koa izy raha miohatra amin'ny fanaka vita amin'ny hazo hafa », hoy ity renim-pianakaviana mpanao fanaka iray eny Andavamamba, Razaiazarimanana Solonirina.
Kesika no betsaka
Efa am-polo taonany maro no nanaovan'ity renim-pianakaviana ity fandrafetam-panaka. Io no amelomany ny ankohonany. Efa maty moa ny vadiny ka dia izy sy ny zanany no mifarimbona manohy ny asa. Ny « angano » anefa, tsy misy ny hazo ampiasaina.
« Raha mba mahita voamboana aza dia vidiana lafo, hatrany amin'ny 100 % miohatra amin'ny vidiny teo aloha. Izany aza efa tsy bolongan-kazo intsony fa tsaikany. Sady tsy tonga refy no madinika », hoy izy.
Dia tsy mahagaga raha toa ka nisondrotra izaitsizy ny vidin'ny fanaka vita amin'ireny hazo sarobidy ireny. Ny ankamaroan'ny mpandrafitra aza amin'izao dia mandoko ilay hazo mba hananany endrika voamboana. « Ny kesika no
betsaka. Nefa tsy ahazoana firy satria mora vidy ny fanaka vita aminy no tsy dia ankafizin'ny olona firy », hoy ihany ity renim-pianakaviana ity. Ny vidiny hakana azy anefa lafo ihany koa satria nisy ny fisondrotany.
Nosoritany fa hatramin'izay nanidiana ny hazo izay no tsy nampisy an'ireo hazo saro-bidy ampiasain'ny mpanao fanaka ireo. Ny patanty anefa, raha ny nambarany, manaikitra be ary nisondrotra ihany koa. Tsy mifanaraka amin'ny hazo kirakirain'izy ireo intsony, ka tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Manaitra ny fanjakana, araka izany, izy ireo mba hijery ny mpanao asa tanana malagasy.





Talatamaty
Nozaraina masomboly ny tantsaha
Masomboly ovy milanja zato kilao sy zezika roa
taonina no indray nozarain'ny kaominin'i Talatamaty ho an'ireo tantsaha ao aminy, ny zoma teo. « Efa fotoanan'ny voly avotra mantsy izao ka ho entin'izy ireo mikarakara izany no anton'izao fanampiana azy ireo izao », hoy ny ben'ny tanànan'i Talatamaty, Rado Razafindratsimba. Nisongadina tokoa raha ny vokatr'ireo tantsaha izay naranty nandritra ny tsenam-bokatra notontosaina tamin'io andro io, satria na ny voly anana, na ny voly vary... dia niharihary ny fahatsaran'ny vokatra.
« Izany rehetra izany no amporisihina ny tantsaha hanao ny tsaratsara kokoa. Endrika iray isehoan'izany izao fanomezana izao », hoy ny ben'ny tanànany. Notsipihiny fa raha ireo zava-bitan'ny tantsaha ireo no jerena dia ho lavitra ny kaominin'i Talatamaty izany tsy fahampian-tsakafo izany. Ny olana aminy izao, araka ny ben'ny tanàna ihany, dia ny
fitadiavana lalam-barotra :
« Marina fa misy mankany amin'ny faritany, ankoatra an'Antananarivo, ny vokatry ny tantsaha eto. Kanefa tsy ampy izany fa mila lalan-kafa ary dia hikaroka izany ny kaominina ».




Antanimena
Lehilahy matin'ny lozam-pifamoivoizana
Raim-pianakaviana iray, tokony ho 40 taona, no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Antanimena, ny asabotsy hariva teo, tamin'ny 6 ora sy sasany teo. Raha ny fanazavan'ireo nanatri-maso ny fitrangan-javatra teo an-toerana, dia nianjera avy teny ambony fiara fitaterana nitondra azy izy. « Natosik'ilay mpanampy ny mpamily hivoaka ny fiara no nahavoa azy », hoy ity renim-pianakaviana iray nijoro ho vavolombelona, izay nanazava izany tamin'ireo polisy nanao fizahana ny raharaha. Dia nianjera izy ary avy hatrany dia niankarapoka tany amina kamiao nanaraka an'ilay fiara mpitatitra.




Fanadinana
78 % no afaka CEPE
Raha ny fanazavana azo avy tamin'ny tompon'an-draikitry ny fampianarana teto amin'ny faritr'Antananarivo, dia nahatratra hatrany amin'ny 78 % any ny isan'ireo afa-panadinana tamin'ity taona ity. Tsara ny vokatra. Kanefa ratsiratsy ihany raha niohatra ny tamin'ny taon-dasa izay nahatratra 80 %.




Fetim-pirenena
Mameno tsena ny afomanga
Na dia ny faritra any ambanivohitra any aza amin'izao fotoana izao dia afa-mahita afomanga ihany koa. Misy izany mantsy eny an-tsena.
Mihamivelatra hatrany ny kilalao entina hanamarihana ny fetim-pirenena. Ankoatra ireo harendrina isan-karazany dia miavaka amin'izany ny afomanga izay amidy eny amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra. Eny Tsaralalana, Analakely, Behoririka...
Tsy mba toy ireo afomanga kely fahita hatramin'izay mantsy ny zava-misy eny an-tsena amin'izao fotoana izao, fa afomanga lehibe mifanahatsahana amin'ireny ataon'ny fanjakana sy ny tompon'andraikitra isan-tokony any
amin'ny faritra samihafa any.
Tsy an-jaza ny vidiny
« Mahatoraka an'ireny hita isaky ny andro fety eny Anosy ireny izy ireto. Sady tafakatra lavitra no miparitaka. Ary maneho endrika maro samihafa ihany koa », hoy ity raim-pianakaviana mpivarotra izany eo Analakely. Ny fandefasana azy anefa tsotra, toy ireny mandefa afomanga kely fahita hatramin'izay ireny. Sady efa misy fitaovana sy toro-lalana andefasana azy ao anatiny.
Nosoritany fa amin'ny fonosana iray dia ahitana afomanga mipoaka indimy. Misy mihoatra izany aza ny sasany. Dia variana ny mpandalo sy ny mpiantsena. Mijery sy manontany na dia tsy hividy aza satria tsy an-jaza ny vidiny. Ara-bakiteny ny hoe tsy takatry ny kely vola. Mahatratra 200 000 ariary ka hatramin'ny 260 000 ariary any mantsy ny vidiny.
Na izany aza anefa dia nambaran'ireo mpivarotra fa mandeha ihany ny tsenan'ity afomanga lehibe ity. Ankoatra ireo olona manan-katao manana ny fahafaha-mandefa izany mantsy, araka ny fanazavan'ireo mpivarotra, dia saika ireo olom-boafidy samihafa avy any amin'ny faritany sy any ambanivohitra any no tena mifandrombaka mividy izany. Ho entiny hamalifaliana ny vahoaka any aminy.
Manodidina any amin'ny antsasa-kilao ka hatramin'ny iray kilao ny lanjan'ireo afomanga lehibe ireo.





Mahamasina
Voakolo ny toerana anaovana matso
Tsy hitora-jofo intsony amin'ity ny matson'ireo miaramila sy ireo miara-dia aminy. Norakofana tara mantsy ny toerana anaovana izany. Izany hoe iny faritra manoloana ny tribunes iny. Ary dia hisantatra izany, anio maraina, ireo mpanao matso satria anio no hotanterahina eny an-toerana ny lanonam-pamerenana izany.
Novolena voninkazo ihany koa ny sisiny. Ary dia endrika mahafinaritra, araka izany, no ho tazana eo Mahamasina. Raha ny fanazavan'ireo mpiasan'ny kaominina nanatanteraka ny asa teny an-toerana, omaly, dia teo amin'ny telo andro teo no nikarakaran'ny kaominina an'izao fanatsarana rehetra izao. Niasa andro aman'alina mihitsy, araka izany, izy ireo nikarakara izany.





Lozam-pifamoivoizana
Razana tsy mbola nisy naka
Tsy mbola nisy naka hatramin'izao ny fatin'ilay lehilahy iray maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Antanimena, ny asabotsy hariva teo. Herman Fanomezantsoa no anarany, araka ny voalaza tao amin'ny karapanondrony. Ny 2 aprily 1965 izy no teraka ary eny Antsahamaina Antsahabe Bongatsara no voatondro ho toeram-ponenany.
Tsiahivina ihany fa handeha haka zotra fitaterana teo Antanimena izy tamin'io asabotsy hariva io, tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany, no niharan-dozam-pifamoivoizana. Nianjera teny ambony fiara mpitatitra ary notsenain'ny kamiao taorian'ilay fiara.




Boriborintany Fahatelo
Zaraina sakafo ny sahirana
Anjaran'ny Boriborintany fahatelo indray, anio, ny fizarana sakafo ho an'ny sahirana izay atolotry ny kaominin'Antananarivo. Eny Antanimenabe, eny Ankorondrano, no anatanterahana izany. Vary sy laoka masaka no ho zaraina ho an'ireo vahoaka sahirana ny antoandro, ary sakafo manta kosa, toy ny vary, menaka, siramamy... no omena ireo be antitra ny tolakandro.




Fetim-pirenena
Olona 1 770 no hanao matso
Vonona ny miaramila hanatanteraka matso rahampitso. An'arivony no handray anjara amin'izany. Ho hita eo koa ny vondron-tafika vao niforona.
«Vahoaka sy foloalindahy miasa miaraka, reharehan'i Madagasikara ». Izany no lohahevitra nanompanana ny
fankalazana ny Fetin'ny 26 jona 2008. Tontosa, omaly maraina, teo amin'ny kianjan'i Mahamasina ny lanonana famerenana ny matso lehibe, izay ho tanterahin'ireo miaramila sy sivily rahampitso, mba hanamarihana ny Fetim-pirenena. Ny tenan'ny minisitry ny Foloalindahy, Manorohanta Cécile, mihitsy no tonga teny an-toerana nanatrika izany. Notronin'ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy tamin'izany.
Miaramila sy sivily mahatratra hatrany amin'ny 1 770 any no indray hanatanteraka ny matso. Ahitana ny mpitsoka mozika, ny solontenan'ny zandarimariam-pirenena,
polisy nasionaly, mpiandry fonja, mpiandry ala ary ny mpiasan'ny ladoany.
Mampandry tany
Ireo no indray handeha an-tongotra. Hanampy azy ireo ny fitaovana samihafa toy ny soavaly, fiara madinika sy vaventy, fiara mifono vy, bisikileta, moto, alika mpitsongo dia ary fiaramanidina kely.
Hanatevin-daharana ny tafika hanao matso ny « bataillon Recamp ». Izany ny fanazavana nomen'ny kolonely Ratovonirina Philibert, avy ao amin'ny sampandraharahan'ny fifandraisana eo anivon'ny etamazaoron'ny tafika. Vondron-tafika vao noforonina sy nofanina manokana hampandry tany izy ity, ary eny Fiadanana no misy azy.
Hirotsaka an-tsehatra ihany koa ny avy ao amin'ny
sampan-draharahan'ny kojakoja ara-teknika, izay mikarakara ny fikojakojana ny fitaovana. Torak'izany koa ny vondron-tafika an'habakabaka mpiahy sy mpikarakara ny fiaramanidina mba hampandeha azy tsara. Vondrona iray anisany vao niforona eo anivon'ny tafika avokoa izy rehetra ireo.
Ny lefona entin'ireo mpitaingin-tsoavaly kosa, raha sabatra no fitondrany hatramin'izay, no hampiavaka ny zandarimariam-pirenena, araka ny fanazavan'ny komanda Rakotonirina Lala. Natao ho anisan'ny fitaovam-piadiana entina miady amin'ny dahalo izy ireny amin'izao fotoana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
FIFAMOIVOIZANA - Fitohanan'ny fiara. Nanomboka hatramin'ny alatsinainy teo, saika tsy azo niainana ny filaharam-ben'ny fiara, indrindra fa ny tolakandro izay tena mampafana ireo lanonana samihafa eo amin'ny kianjan'ny 13 Mey. Saika avy eo mantsy, noho ny fahatapahan'ny lalana amin'ny araben'ny Fahaleovan-tena, no anton'izany. Manampy trotraka ihany koa ny afitsok'ireo mpivarotra.
ANDROHIBE - Nahazo fanampiana ny sembana. Vary telo kitapo, siramamy iray gony, menaka 60 litatra, savony ary tsaramaso. Ireo no indray natolotry ny fanjakana malagasy, nosoloin'ny komity mpanentana
ny 26 jona tena, ireo ankizy sembana eny amin'ny «Orchidées blanches».
Nangonin'i




Voankazo
Mihalafo ny akondro
Lafo dia lafo ny akondro amin'izao fotoana izao. 700 ariary ka hatramin'ny 1000 ariary ny vidin'ny iray kilao. Ifandrombahana izay tsara.
Miakatra izaitsizy ny vidin'ny akondro eny an-tsena amin'izao fotoana izao. Manodidina any amin'ny 600 ariary any ka hatrany amin'ny 700 ariary any mihitsy ny kilao raha 400 ariary na 500 ariary izy teo aloha. Ny tsara aza dia vidiana hatrany amin'ny 1 000 ariary any mihitsy ny iray kilao.
Raha ny fanazavan'i Andry Rasolofomanana, mpanangom-bokatra akondro any amin'iny faritra atsinanan'ny Nosy iny, dia hatrany am-potony any mihitsy ity voankazo ity no efa lafo vidy. Raha 100 ariary mantsy, raha ny nambarany, no ividiananan'izy ireo ny akondro manta iray kilao any am-potony dia tafakatra hatrany amin'ny 150 ariary ka hatrany amin'ny 200 ariary any amin'izao fotoana izao no hakany azy. 30 ariary isaky ny kilao indray no saran'ny mitatitra azy avy eo, dia izay no mahalafo azy tonga any amin'ny mpihinana.
Nosoritany fa noho ny fahapotehin'ny akondro tamin'ireny fandalovan'ny rivo-doza Ivan ireny no nahatonga izao fisondrotany izao. Potika avokoa mantsy ny akondro tamin' ireny ka izay hany mitsangana no sisa mamoa . Ny ripaka, vao mitsangana ny solofony. Ny andro rahateo ririnina, fotoana tsy mampisy ny akondro.
Ifampitadiavana
Ho an'i Pascal Rabenarisoa, mpivarotra akondro iray eny Ambohimanarina, dia any amin'ny 400 ariary ka hatrany amin'ny 450 ariary any no hakan'izy ireo ny iray kilao amin'ny akondro masaka eny amin'ny mpanotrik'akondro. Teo aloha anefa izany novidiana 250 ariary ny iray kilao. «Izany aza ifampitadiavana sy ifandrombahana», hoy izy. Miampy ny saran-dalana izay dia tonga eo amin'ireo vidiny hakan'ny mpihinana azy, araka ny voalaza tery aloha.
Efa asa foto-piveloman'i Pascal Rabenarisoa, ity famarotana akondro ity. «Io no amelomako ny ankohonako», hoy izy. Mandeha tsara ny tsenan'ny akondro, raha ny fanazavany. Saingy hafa ny tsena rehefa main'andro fotoana mahabetsaka sy mahatsara ny akondro.
Anisan'ny voankazo saro-pady ihany koa anefa ny akondro. Tsy azo ajanona ela fa miendaka amin'ny lafatra sy simba. Hany ka tsy tian'ny mpanjifa. Dia lasa amidy masonkarena fotsiny eny amin'ny mpanao koba.
Marihina fa hanina mitondra vitamina be indrindra ny akondro. Manome potasioma izy, manome siramamy ihany koa. Ary tsara raha mihinana azy isan'andro.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMBODIN'ISOTRY - Ratsy ny tsenan'ireo mpivarotra. Sambany mba tsy nifanitsa-kitro ny mpiantsena teny Ambodin'Isotry, ny asabotsy teo. « Tsena vita fety ka mangina », hoy ireo mpivarotra. Na ireo mpivarotra aza betsaka no tsy tonga teny an-toerana.
SOAMANANDRARINY - Nahazo toeram-pitsaboana ny FJKM. Notokanana, ny asabotsy teo, tao amin'ny FJKM Soamanandrariny ny toeram-pitsaboana lehibe. Ankoatra ireo mpino ao dia hahazo tombony amin'ny fizaham-pahasalamana ireo fokontany manodidina. Mpitsabo enina mianadahy no miasa ao.
FIFANINANANA - Ho ambany ny vidin'ny simenitry ny sinoa. Tsy hitovy amin'ny vidin'ny simenitra eny an-tsena amin'izao fotoana fa ho ambany ny vidin'ny simenitra vokarin'ny orinasa Maloci Ambohimanambola. Nanamarika ny tale jeneraliny, Li Yaomin, fa ampandalovina ny laboratoara indray ny vokatra vao haparitaka.
Nangonin'i




Antananarivo
Nirohotra hijery afomanga maharitra toy ny isan-taona ny mponina teto Antananarivo. Nefa dia hakiviana no setriny. Vitsy kely ny afomanga nandeha.
Hasosorana ny an'ireo mpijery afomanga teto an-drenivohitra, ny alarobia teo, tamin'ny faharetan'ny afomanga. Raha adiny iray latsaka fahefany toy ny mahazatra mantsy no nandrandrain'ny rehetra tamin'ny fijerena azy ity, dia fotoana fohy kely, 20 minitra teo fotsiny, no nisehoany. Soa kanefa fa naverina omaly tamin'ny enina ora ny afomanga, ary izay vao afa-po ny olona.
Tsy nampoizin'ireo mpijery an'arivony maro mihitsy ny fahavitsian'ny afomanga tamin'ny alarobia. Mbola samy nitorovoka niandry izay tohiny teo daholo ny rehetra na dia tapitra aza ilay 20 minitra. Nandeha ny fotoana, nandrasana antsasakadiny, izay vao samy niparitaka daholo, namonjy izay lalana halehany. Dia samy nihomehy na ningonongonona teny an-dalana daholo.
« Izahay efa tamin'ny enina ora no tonga teto, niandry toerana, mba hijery afomanga. Dia nipetrapetraka teto mandrapahatongan'ny tamin'ny fito ora. Hay zavatra kely fotsiny ilay izy », hoy ity renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany telo mianadahy nijery afomanga teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona.
« Mba faly ery ilay zanako nahita an'ilay afomanga teny amin'ny lanitra, satria izao izy vao mba mahatsiaro saina. Nefa dia kely ilay izy tsy toy ny isan-taona », hoy kosa ity raim-pianakaviana iray nanao an-tsangory ny zanany nijery afomanga teny Ankadifotsy.
Ankafizin'ny rehetra
Izany rehetra izany no manaporofo fa anisan'ny
« kilalao » ankafizin'ny rehetra, na kely na lehibe, indrindra fa ny ankizy, ity afomanga ity rehefa mankalaza ny fetim-pirenena toy izao isika. Nefa dia tsy nampoizin'ny rehetra ny zava-nisy.
Toy ny inona moa ny firohotr'ireo mponina eto Antananarivo mamonjy an'Anosy sy ireo toerana avo, na dia izay toerana eny akaiky tanàna eny aza ka afaka ahitàna izany, rehefa hipaika ny fotoana handefasana afomanga.
Manoatra noho ireny mpiasan'ny orinasa afakaba mirava ireny. Saika an'ny mpijery ny lalana. Ary dia mangina, araka izany, ny tanàna rehetra na dia alina aza ny andro. Tonga daholo na ny avy lavitra aza, ao ny mandeha an-tongotra, ao ny nitondra ny fiarany.
Ny teny amin'iny faritr'Anosy iny aza moa adiny iray sy sasany mialoha ny fotoana andehanan'ny afomanga, dia efa tapaka ny lalana. Tsy nisy toerana nahafahan'ny fiara nandeha.
Lahatsoratra nivoaka ny 27 jona





Analakely
Nifanaretsaka ny mpijery lanonana
Tsy nifankahitana ny mpijery lanonana, raha ny teo Analakely manokana no resahina nandritra iny fetim-pirenena iny. Nanomboka ny tolakandron'ny alarobia izany ka hatramin'ny omaly 26 jona.
« Tsy andoavam-bola ny fety no sady andro fialam-boly, ka dia manararaotra izahay mijery », hoy i Rado sy Christian isan'ireo tanora tonga nijery fety teny an-toerana. Tsy diso anjara amin'ny fijerena lanonana toy itony tokoa mantsy ny tanora. Ny karazan-javapisotro sy ny sakafo rahateo nisy teny an-toerana, ka afa-po ny rehetra.
Toy izany ihany koa ireo ray aman-dreny, mitondra ny zanany mitsangatsangana sy mijery lanonana. « Tsy mba mivoaka ny trano izahay raha tsy andro fety toy izao, ka izany no nitondrana ny ankizy ety Analakely. Ety ihany koa no mahafinaritra satria ahitana karazana kilalao samihafa », hoy Andrianasolo Charles sy Liliane mivady.
Ny omaly manokana moa dia saika ireo mpanakanto malaza no niaka-tsehatra ka vao mainka vory ny olona. Nafana, araka izany, ny lanonana. Raha ny fandaharam-potoana rahateo moa, dia alim-bahoaka no amaranana ny ivon'ny fety.




Vaovao tapatapany
27 jona
Toamasina - Miaramila roa may. Ny tarehiny, ny tanany ary ny tratrany no indray may be tamin'ireo miaramila roa lahy niandraikitra ny fandefasana afomanga tany Toamasina, ny alarobia hariva. Nipoaka mantsy ny sambo nandefasana an'ilay afomanga, noho ny olana ara-teknika tamin'izany. Ary dia nidedaka ny afo. Dia niantefa teny amin'izy roa lahy.
Ankazobe - Kamiao roa nifandona. Vehivavy bevohoka iray, ny alarobia teo, no naratra vokatry ny fifandonan'ireo kamiao roa tao Manankazo, amin'iny faritr'Ankazobe iny, amin'ny lalam-pirenena fahefatra. Ny kamiao iray tamin'ireo niharan-doza mantsy no nandehanany. Tsy nisy aloha ny aina nafoy.
Nangonin'i




Mba tonga saina ry vahoaka!
Diniho ry vahoaka fa ireo vazaha raha mitondra fanjakana dia ny tombontsoan&#039; ny vahoakany no jereny voalohany.
Ary raha misy ary ireo vahiny miasa any ivelan'ny fireneny, toy ireo «opérateurs» vahiny miasa eto Madagasikara, dia ny masoivohon'ny fireneny no miaro hatrany ny tombontsoan'izy ireo. Na dia diso aza ireo vahiny ireo indraindray, dia mbola manampy azy ny ambasadiny, na dia hoe mampody azy ary. Nisy ny nigadra, dia navoaka naverina any ivelany hono mba hotsarainy any.
Izany tokoa ka tena manana fitiavan-tanindrazana. Ny mponiny arovany sy ampiany. Ary rariny izany satria ny volam-bahoaka anie no miditra any amin'ny fanjakana tsirairay e ! Ary ireo mpiasam-panjakana dia ny volam-bahoaka no manome ny karamany. Any ivelany izany efa fantatry ny mponina. Fa eto amintsika tsy ampahafantarina ny vahoaka izany fahamarinana izany.
N'aiza n'aiza fanjakana dia ny vahoaka foana no ahazoany vola, na avy amin'ny hetra, na avy amin'ny karama, sns... Maninona izany no tsy ampahafantarina antsika vahoaka? Ireny vola ampiasain'ny fiadidiana ny Repoblika sy ny ministera ireny, na fivoriana na fandehanana any ivelany dia volam-bahoaka daholo. Nefa ny vahoaka malagasy ambaniana. Na eny amin'ny arabe aza: moa ve fantatrao ry Malagasy fa ireny «garde corps» sy ny «escortes» ary ny miaramila ampisaina ireny ka volanao vahoaka no handoavana ny karamany? Nefa ianao asaina mikisaka, rahonana raha mibahana.
Mba tonga saina isika vahoaka ary mba koa tonga saina ianareo ao amin'ny fitondrana sy izay mbola ho avy hitondra. Aza dia atao tsy misy antony ny vahoaka!
Any ivelany izany efa fantatry ny vahoaka hoe: volam-bahoaka no ampiasain'ny fanjakana, ka tsy sahy manao «abus» ny mpitondra. Fa eto amintsika tsy mahalala mihitsy isika Malagasy, ary mananaraotra koa izay rehetra mitondra.
Any ivelany raha vao miakatra loatra ny vidim-piainana dia tsy maintsy manampy ny fanjakana, satria sao izy miongana eo. Eto amintsika tsy dia izay loatra no miseho. Satria tsy misy fantatry ny vahoaka izany, fa dia ny mitady izay ho haniny sisa ny manahirana azy.
28 jona
Doda Rakotobe




Vakodrazana
Nandimby ny anaran-dray Rakotoarivony André
Nolovain-dRakotoarivony André tamin-dray aman-dreniny tany aloha tany ny fanaovana vakodrazana.
Na dia misongadina aza ny hira madinika, tsy mbola lefy laza ny vakodrazana. Be ny mpankafy ary ny mpiangaly ihany koa mihatanora lalandava. Iray amin'ireo mpiangaly izany Rakotoarivony André, monina eny Antanifotsy Imerinafovoany.
Ao anatin'ny tarika Kintan'ny fanantenana avy eny Antanifotsy Imerinafovoany no misy azy. Sady mpanolotsaina izy ao anatin'ny tarika no mpively amponga. « Ankafiziko tokoa ny vakodrazana. Asa raha noho izy efa nolalaovin'ireo razambeko tany aloha tany no antony nahavoasarika ahy, fa dia tia azy aho », hoy izy. Nosoritany mantsy fa efa zavakanto nolalaovin'ireo ray aman-dreniny hatramin'izay ity vakodrazana ity.
iavaka ny vakodrazana
Mbola kely, araka izany, izy dia efa nandray anjara
« nilalao » tao anatiny ary hatramin'izao. « Tao an-trano ny mpiangaly azy, dia lasa niampita ho azy tato anatiko ny fitiavana izany. Izahay rahateo rehefa mandeha manafana lanonana ny ray aman-dreninay dia entiny manaraka azy », hoy i André. Dia lasa nandimby ny anaran-dray nony lehibe.
Mpamboly no asa aman-draharahan-dRakotoarivony André. Saingy sady alavoliny no vadin'asa fivelomany ny fanaovana vakodrazana, toy ireo mpanakanto amin'ny hira madinika samihafa. Be mpankafy tokoa ny vakodrazana amin'izao fotoana izao, raha ny fanazavany.
« Matoa izahay mbola mijoro hatramin'izao dia misy ny olona tia azy. Matetika ny tarika Kintan'ny fanantenana no mahazo fanasana manafana lanonana toy ny fetim-pokontany, ny fetim-piangonana, ny fetin-tsekoly..., indrindra rehefa amin'ny androm-pamadihana », hoy izy.
Miisa 31 ny mpikambana ao amin'ny tarika Kintan'ny fanantenana. Efa samy manana ny anjara asany avokoa izy ireo, araka ny fanazavan'i André ihany. Saingy ny mampalahelo amin'izao fotoana izao dia saika efa maty avokoa ireo mpamoron-kira. Dia tsy misy afa-tsy ireo hira efa hatramin'izay ihany no velomina sy hiraina. Miavaka moa ny vakodrazana amin'ny fikaloana ny fitiavan-tanindrazana sy ny zava-misy eny anivon'ny fiaraha-monina.





Zaza miraikitra
Miankina amin'ny fitiliana ny fandidiana
Mbola ny fitiliana ihany aloha hatramin'izao no mbola hatao amin'ireo zazakely roalahy miraiki-kibo, Mahagaga sy Mahalatsa, tsaboina etsy amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha. Araka ny fanazavan'ny talen'ity hopitaly ity, ny Dr Andriamiarina Bruno, dia zava-dehibe tokoa ny fanaovana ny fitiliana satria miankina aminy no afahafahana mandray fanapahan-kevitra amin'ny handidiana azy. Na koa ny hiantsoana ireo dokotera manam-pahaizana manokana tandrify an'izay valin'ny fitiliana izay, ohatra mpitsabo manam-pahaizana momba ny fo, ny voa...
Efa nahavita ny fitiliana tamin'ny échographie izy ireo omaly, ary ny fitiliana amin'ny alalan'ny scanner indray no dingana manaraka ho atrehiny. Ary dia ho hita eo izay fitsaboana tokony hatao aminy.
Raha ny zava-misy anefa no jerena, araka ny fanazavan'ny mpitsabo iray ao amin'ity hopitaly ity, dia toy ny manana ny taova manokana ho azy avy ireto zaza ireto. Samy mandefa maloto amin'ny taova famoahana izany avokoa mantsy izy roalahy kely, ka heverina, avy amin'izany, fa ny kibo ihany no mety ho miraikitra aminy. Nefa na izany aza, tombatombana ety ivelany ihany izany fa tsy misy afa-tsy ny fitiliana ihany no hamaritra izay tena zava-misy ao aminy.
Ny 16 jona teo, izany hoe vao tapa-bolana izay, no nahaterahan'ireto zazakely ireto, tao Ambovombe Androy. Ny fanjakana moa no hiantsoroka tanteraka ny fitsaboana azy ireo.





Anosy
Tsofain'ny mpangalatra ny andrin-jiro
Dia naripaky ny mpangalatra indray, omaly alina, ny jiro tamin'iny lalana mihazo ny anjely « manjelatra » eny Anosy iny. Ny andrin-jiro tamin'ireny mihitsy, raha ny fanazavan'ireo mpitandro ny filaminana, no tena nangalarin'ireo jiolahy. Nitondrany tsofam-by ary dia notsofainy tsotr'izao, tsy tahotra tsy henatra. Andrin-jiro telo nifanesy no efa ripaka eny an-toerana amin'izao fotoana izao.
Ary dia niezaka nanao ny fanaraha-maso azy ireny ny polisy kaominaly sy ny polisim-pirenena avy ao amin'ny boriborintany fahadimy eny Mahamasina.
Inona tokoa, fa dia tratra teo ny mpangalatra. Zatra ny lalan-dririnina ka nanao latsak'alina, tsy nihevitra akory ny asa ratsy efa vita sy ny mety ho fanaraha-maso ataon'ny tompon'andraikitra, fa dia nanatona tsimoramora an'ilay andrin-jiro fahatelo ho tapahina.
Dia noraisim-potsiny teo. Roalahy mirijarija be. Natolotra ny Fampanoavana omaly ry zalahy, ary teo no ho eo ihany dia nadoboky ny mpampanoa any am-ponja.




Asan-jiolahy
Ben'ny tanàna voatafika
Volabe mitentina 12 tapitrisa ariary no indray nafoin'ny ben'ny tanànan'Ampefy, ny alahady maraina teo, noho ny fanafihan-jiolahy nahazo azy. Teo amin'ny sampanan-dalana hihazo ny « chute de la Lili » iny indrindra izy, teo Mahiatrondro, no notemerin'ireo andian-jiolahy nifanena taminy. Nisy namana roalahy niaraka taminy tamin'io fotoana io, fa tsy nahetsika teo anatrehan'ny fampihorohoroana nataon'ireo olon-dratsy.
Nanao fanamiana miramila ireo jiolahy, araka ny fitarainana nataon'ity ben'ny tanàna ity tany amin'ny zandary. Nosakanany ingahy ben'ny tanàna sy ireo roalahy niaraka taminy, dia nofatorany ary nentiny nitsoaka ny lelavola teny aminy.
Izy tenany ihany anefa, raha ny fanazavany, no nahavaha ny fatorany ka taorian'izay vao afaka nampandre ny zandary tao Analavory.
Niezaka nanao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy ihany ireo mpitandro ny filaminana. Saingy tsy nahita na inona na inona intsony. Mandeha, araka izany, ny famotorana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Behoririka - Nioritra ilay ankizy nianjeran'ny mamo. Tsy tafatsangana tamin'ny tany nahalavoany, omaly maraina, ilay ankizivavy kely, 12 taona, nianjeran'ity lehilahy mamo efa tsy nahazaka tena intsony, teny Behoririka. Ny tongony havanana no nitarainany mafy ho marary azy : eo amin'ny kitrokeliny sy ny ranjony. Ranomaso havozona, araka izany ny azy.
Anosy - Mpanarato tratra. Noraisim-potsiny teo am-pisintonana ny haratony tao amin'ny farihin'Anosy, ny talata alina, ity raim-pianakaviana iray. Nanaovan'ny polisy fampitandremana ny anao lahy mba tsy hihetsika, nasaina niakatra tety an-tanety. Teo no nahitana fa trondro efa ho iray sobika kely no efa azony tamin'ny indray alina monja io.
Polisim-Pirenena - Manamboninahitra dimy nahazo galona. Iray nakarina ho eo amin'ny toeran'ny inspecteur général de police, efatra kosa nakarina ho commissaire divisionnaire de police. Polisy dimilahy, araka izany, no indray nahazo girady tamin'ity taona 2008 ity. Nivoaka tamin'io fetim-pirenena io ny fanambaràna izany.
Mahitsy - Polisy namoy ny ainy teny ambony fiara. Tao anaty fiara fitateram-bahoaka, mampitohy an'i Mahitsy sy Antananarivo, no namoizan'ity polisy brigadier-chef ny ainy. Hamangy fianakaviana tao Antandrokomby no anton-diany. Kanjo sendra ny tsy fahasalamana tampoka teny an-dalana. Nikohokohoka sy nandoa ra, dia tsy nahatsiaro tena avy eo. Nentin'ny mpamily tao amin'ny hopitalin'i Bejofo haingana, saingy tsy nisy aina intsony.
Nangonin'i




Lalao
Nahazo fiara tsy nampoizina Ra-Guy
Kit indray mandeha monja, nentina nanovana « puce » fa tsy hilalaovana, no nahazoan-dra-Guy an'ilay fiara be Ford 4x4, natao loka tamin'ny lalao nokarakarain'ny Celtel. Faly ny lehilahy.
«Taitra aho, tsy nino mihitsy aloha tamin' ilay resaka. Tonga ny sms avy taty amin'ny Celtel vao nino aho. Izay aho vao faly ... Tafatsangana aho. Nangenahena teo tsy nahita izay hatao. Nampirimiko ny fitaovam-piasako. Narindriko ny trano dia lasa aho nody tany an-trano, niteny tamin'ny vady aman-janako».
Izay no fitantaran-dra-Guy Joseph Randrianarison ny fihetseham-pony tamin'ny nahazoany an'ilay loka be, fiara Ford 4x4 natolotry ny orinasa Celtel tamin'ilay lalao nokarakarainy nandritra ny telo volana.
Nosoritany fa tsy nampoiziny velively ny hahazo an'ity loka be ity satria tsy nieritreritra ny hilalao izany ny tenany. «Hanova puce no nataoko tany amin'ny Celtel. Izay no nividianako kit iray. Dia izao nahazo loka izao aho», hoy ihany izy.
Tso-piaina
Tsembotsemboka ery ny lehilahy, omaly teo amin'ny foiben'ny Celtel, notolorana ilay loka goavana. Tsy nahaloa-peo firy ary hita ho nangovitra. Nangovitry ny hafaliana. Olona maro rahateo ihany koa no nanodidina azy sy niantsoantso ny anarany. Te-hahita an-dra-Guy, ilay nahazo loka be.
Lasa nalaza tampoka teo mantsy ny lehilahy.
Mpanao kiraro eny Mahazo eny no asan-dra-Guy. Manjaitra ny rovitra. Nefa koa afaka manamboatra vaovao raha misy mikomandy. Izay no amelomany ny vadiny sy ireo zanany efatra mianadahy. Miainga any an-trano any Ambohimalaza amin'ny 7 ora sy sasany, hamonjy asa, dia manao kibo an-tsena, ka tsy mody raha tsy amin'ny dimy ora hariva.
3000 ariary eo ka hatramin'ny 5000 ariary isan'andro no vola azony, entiny mody.
Tso-piaina, araka izany, izy. Malefa-pihetsika. Kanefa dia nitsiky taminy tamin'ny alalan'ilay kit iray novidiany ny vintana. Na dia ny mikitika fiara aza mantsy tsy hain-dra-Guy, satria tsy mba nananany izany. Ka ny rahalahiny, Maurice Rakotondraibe, no nitondra ny fiara nandeha nody.
«Handeha hihodina kely eto an-tanàna aloha izahay dia avy eo aterina any amin'ny garazy nivoahany ny fiara, satria tsy misy toerana hametrahana azy. Dia izay vao mody», hoy izy. Nosoritany fa tsy mbola fantany izay hanaovany an'ity fiara ity, na ho tazoniny na hamidiny.
Ny vintana tokoa tsy mila harena.





Ampasampito
Tezitra ny ben'ny tanàna
«Ny tombontsoan'ny besinimaro no katsahina fa tsy tombontsoan'olom-bitsy. Izay tsy liana amin'ny fivoarana sy fandrosoana dia tsy tokony hanelingelina ny fandaminana hatao». Tenin'ny ben'ny tanàna izany, omaly maraina teny amin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra teny Ampasampito, raha nahita ny zava-nisy teny an-toerana izy. Tsy naharitra mantsy fa dia nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy teny mihitsy ny tenany.
Tsy arakaraky ny vaovao reny anefa no hitany teny satria toerana milamina, kaoperativa manaiky fandaminana, mpandeha tsy misaritaka no hitany teny. Nihenjana ny lehilahy ary nampiaka-peo ka nilaza fa tsy maintsy haka fepetra hentitra ny kaominin' Antananarivo ho an'ireo izay manakorontana, minia mandika ny lamina apetraka.
Ny lamina napetraka amin'ity toerana ity moa, ho an'ireo kaoperativa dimy miasa ao, mampitohy an'Antananarivo sy Moramanga, dia fiara roa ho an'ny Kompima no indray mameno, ary fiara iray avy kosa ny an'ireo kaoperativa efatra ambiny. Nomena tombony manokana noho izany ny kaoperativa Kompima noho izy manana fiara betsaka indrindra miasa ao.
Kanefa dia ity farany ity indray no midrikina tsy mety manaraka izany, raha ny fanazavan'ireo kaoperativa sasany sy ireo mpandeha marobe teny an-toerana. Dia lany andro miandry fiara sy taritaritin'ny mpanera eny ny mpandeha sy ny entany.





Ankadinandriana
Asa fambolem-boninkazo
Tsy ambaka ny vehivavy ny lehilahy rehefa mikarakara voninkazo, indrindra rehefa foto-pivelomana izay izy. Iray amin'ireo raim-pianakaviana manao izany Ranaivo Serge eny Ankadinandriana.
Manomboka amin'ny fito ora sy sasany maraina, Ranaivo Serge na Soary (araka ny fahalalan'ireo mpiara-monina aminy), mpamboly voninkazo monina ao Andraravola, kaominina ambanivohitr'Ankadinandriana, no midina eny an-tsaha mikarakara ny famboleny. Tsy mody raha tsy amin'ny 12 ora antoandro. Misakafo sy maka aina kely izy eo, raha tafody, dia miverina eny an-tsaha indray. Izany hatrany no fiainany andavanandro, entiny mamelona ireo vady aman-janany.
Fototr'asa
Mpamboly, araka izany, no asan'i Soary. Nefa ankoatra ny fambolena ireo sakafo isan-karazany sy ny fikarakarana fiompiana, dia fototr'asany manokana ambonin'izay ny fambolena voninkazo. « Ny pika sy ny "glaïeul" no tena ataoko amin'izany. Ireo ihany koa mazàna no tena fambolin'ny mponina ety », hoy izy.
Nosoritany fa tsy dia misy mahasamihafa amin'ny fambolena anana ny fambolena sy ny fikarakarana ireo voninkazo ireo.
« Tondrahana rano tsara izy dia asiana zezika. Ary tsy mijanona ny manao izany raha tsy mamoa na mamela zanaka ny voninkazo », hoy ihany izy. Nosoritany fa amin'ny andro mafana dia maivamaivana ihany ny fanatanterahana izany, fa rehefa tonga ny ririnina dia miasa be. Mahatratra intelo isan'andro eo, raha indray mandeha rehefa amin'ny andro mafana, ny manondra-boninkazo. Ny antony, raha ny fanazavany, dia tsy mafana tsara ny tany eo.
« Manam-potoana tsara, araka izany, aho hikarakarako ny fambolena hafa », hoy ihany Ranaivo Serge.
Isan-kerinandro eo izy no mioty ny voninkazo, dia mitondra izany miakatra aty Antananarivo. Ankoatra ny eny Anosy dia eny Antsakaviro koa no toerana famarotany voninkazo.
Misy efa mpandray entana mihitsy eny amin'ireo toerana ireo. Voalohany amin'izany ireo mpivaro-boninkazo ambongadiny, ny mpanao koraonina...
Mahatratra hatrany amin'ny 36 fehezany ny isan'ny voninkazo entin'i Soary isan-kerinandro miakatra ny renivohitra. Vola manodidina ny 30 000 ariay ka hatramin'ny 60 000 ariary no entiny mody amin'izany. 45 taona izao no nambolen'i Soary voninkazo, nolovainy tamin'ireo razam-beny. Sivy mianadahy ny zanany ary io fambolem-boninkazo io no namelomany ny ankohonany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Hosoka - Teratany vahiny telolahy nofonjaina. Tapaka tampoka teo ny dian'ireto teratany vahiny telolahy saika hiondrana ho any ivelany, any Eoropa, ny faran'ny herinandro teo. Rehefa natao mantsy ny fisavana ny taratasin'izy ireo dia tratra teo ny hosoka nampiasainy tamin'ny fahazoan-dalana hivahiny any Eoropa.
67 Ha - Teratany afrikana tsy ara-dalàna. Lany paik'andro efa hatrany amin'ny taona 2002 ny fahafahan'ireto teratany afrikana roalahy mijanonana eto Madagasikara. Saron'ny polisy teny amin'ny 67 ha izy ireo, afak'omaly ary dia nentina namonjy ny birao natao famotorana. Efa tratra izy ireo teo aloha saingy nalefa nitady vola hodiany. Nefa tsy nody ry zalahy fa mbola nijanona niriorio teto ihany.
Andoharanofotsy - Tovovavy nihinana poizim-boalavo. Tsaboina eny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha amin'izao fotoana izao ilay tovovavy kely, 20 taona, nitelina poizim-boalavo. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga azy nitelina izany.
Nangonin'i




Resaka laisite
Ho tohin'ny velakevitr'Andriamatoa Rakoto Armand Manitra, Talen'ny Sekoly Paul Minault, ...
... sy Mompera St. Jean mpampianatra teolojia, natao teny amin'ny Akademia Malagasy tamin'ny 15 Mey 2008 teo, sy ho tohin'ny lahatsoratro navoakan'ny L'Express tamin'ny 21 Marsa 2002, tamin'ireny fotoana nivaivay ireny ny resaka laisite, ka raikitra ao amin'ny web , dia indro avoaka manaraka eto ny famintimpitinana ny hevitra nipololotra tao amiko teny amin'ny Akademia fony natao ny fifanakalozan-kevitra.
Tsy hahita valiny metimety mikasika io resaka io isika raha tsy miditra kely amin'ny resaka teolojika. Dia ny foto-kevitra manao hoe: Ahoana ny fomba hampitana eo amin'ny fiainana andavanandro ny foto-kevitra «fifandraisan'ny maha-Andriamanitra sy maha-olona ao amin'i Jesoa Kristy, rehefa tonga nofo Izy ?» Heverina fa ny Fanjakana dia mitaratra ny maha-olona, ary ny Fiangonana no mitaratra ny maha-Andriamanitra. Raha heverina koa fa olon'ny fiaraha-monina (citoyen) ny kristiana sady mpanota voavonjin'i Kristy. Raha heverina koa fa ao amin'izao tontolo izao izy nefa tsy an'izao tontolo izao.
Efa niadian-kevitra ela tany amin'ny Conciles ekiomenika tamin'ny taonjato voalohandohany io resaka io, ka ny niafarany tany amin'ny Concile tany Chalcedoine tamin'ny taona 451, Acte V dia nosoratana hoe: Ny fomba firaisan'ny natiora roa ao amin'i Kristy, maha-Andriamanitra sy maha-olona dia : «Without confusion, without change, without division, without separation - Sans confusion, sans changement, sans division, sans séparation» - Tsy misy fifangaroharoana, tsy misy fiovana, tsy misy fizarana, tsy misy fisarahana. Ahoana ny fandraisana izany hoenti-miaina?
Ny nandikan'ny Soisa azy eo amin'ny fifandraisana na fiaraha-miasan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia taratra rehefa mandoa hetra ny olona ka misoratra ho protestanta na katolika: misy ampahan'ny hetra aloany mankany amin'ny Fiangonana, dia iny no andoavana ny karaman'ny Pasitera. Izany hoe ny olona tsirairay dia sady mamelona ny Fanjakana no miahy ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Fanjakana.
Any U.S.A. dia averina amin'ny mpandoa hetra ny vola narotsany tamin'ny fanaovana Asa Soa sahanin'ny Fikambanana izay mirafitra ara-dalàna, ka voaray amin'izany ny rakitra be nataony tany am-piangonana, rehefa mahatratra ny taha tratrarina; izany hoe sady mamelona ny fanjakana ny mpandoa hetra no averin'ny Fanjakana amin'ny mpandoa hetra ihany koa ny vola nanaovany Asa Soa. Fampiharana hita maso ny fifandraisan'ny Fanjakana sy ny Fiangonana ny an'ireo firenena roa ireo, mitaratra ny maha-Andriamanitra sy maha-olona an'i Kristy. Hafa ny fipetrak'io resaka io any Angletera sy any Skandinavia ary any amin'ny fanjakana Silamo. Tsy mety amintsika ireo satria Tantsaha tsy mandoa hetra sy mpivavaka tsy misy rafitra no betsaka eto Madagasikara.
Lucien Emmanuel Randrianarivelo




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
FAMPIANARANA - Mpiadina 179 000 hiatrika fanadinana BEPC. Hanomboka anio, ka tsy hifarana raha tsy ny alakamisy ho avy izao, ny fanadinana BEPC. Mahatratra 179 000 ny mpiadina hiatrika izany izay hiparitaka amin'ny foibem-panadinana 600. Fepatra henjana moa no napetraky ny fanjakana hisorohana ny mety ho fivoahan'ny laza adina mialoha.
NOSY BE - Teratany vahiny karohina. Namoahan'ny lehiben'ny mpitsara mpanao famotorana avy ao amin'ny Fitsarana eto Antananarivo didy mampitondra mihitsy ilay teratany vahiny voarohirohy tamina raharahan-keloka maro samihafa. Isan'izany ny fihazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, fisolokiana, fanaovan-kerisetra... Efa nisy koa raharaha niakarany fitsarana ka nahazoany sazy.
BETAFO - Ankizilahikely mpanendaka eny an-tsena. Tonga hatrany amin'ny faritr'i Betafo rehetra any ny asan-jiolahy ataon'ireo ankizilahikely tsy ampy taona. Efa-dahy tamin'izany no indray saron'ny fokonolona tao an-toerana, ny alatsinainy lasa teo. Tratra nanendaka sy nanao sinto-mahery teny an-tsena. Voasambotra ihany koa ny lehilahy lehibe iray voalaza fa mpaniraka azy ireo.
Nangonin'i




Ivato
Anjakan'ny mpangalatra ny tobin'ny zandary
Tsy misy intsony ny fisavana eo amin'ny vavahadin'ny tobin'ny zandary eny Ivato, izay horavana. Manararaotra izany ny mpangalatra.
Na dia tsy mbola lasa daholo aza ireo zandary, avy ao amin'ny Centre de formation spécialisée, sy ny vady aman-janany, ka nandao tanteraka ny toby nisy azy teny Ivato, tao amin'ny faritra fahefatra, dia efa ny mpangalatra sahady no manjaka ao an-toerana.
Ripaka avokoa na varavarankelin'ny trano, na fitaratra, na tafo fanitso ... Efa maromaro ihany mantsy ireo zandary nahita trano ka nandao ny fonenany. Miditra ny faritra ny jiolahy, manapitsoka ny varavarana ary dia manongotra ny kojakoja ao amin'ilay trano.
«Mihoron-koditra, tsy misy fandriampahalemana intsony izahay ety. Ambenana tsy azo ilaozana na lamba mihaha, na ny trano. Tsy mbola mahita trano isitrihana mantsy izahay no mahatonga anay mbola tavela eto», hoy Ravaonantenaina Laurencia, vadi-na zandary iray mbola ao an-toerana.
Tamin'ny voalohan'ny volana jolay teo no fe-potoana farany nahazoan'ireo zandary niasa sy nonina tamin'ny toerana, ka nijanona tao amin'ny toby. Izy ity mantsy dia tafiditra ao anatin'ilay faritra hajariana mba handraisana ny Fivoriana an-tampon'ny Firaisam-be Afrikana amin'ny taona 2009.
Hofan-trano lafo be
Efa nanomboka niala sy nitatitra entana tsikelikely amin'izany ireo zandary. Ny fandravana rahateo efa manomboka, satria miro-tsaka an-tsehatra ny orinasa manatanteraka ny asa, toy ny fikapana ny hazo ... ary na ny trano kely fisavana sy fandraisana ireo mpamangy tao amin'ity toby ity teo am-bavahady aza efa rava.
Dia malalaka, araka izany, ny fidirana ao amin'ilay tanàna. «Tsy misy misakantsakana intsony ary dia miditra eo avokoa ny olona rehetra. Tsy fantatra intsony na jiolahy na mpandalo», hoy ihany ireo vadina zandary.
Nomarihin'ireo tafaresaka taminay fa tsy an-jaza mihitsy ny hofan-trano amin'iny faritra manodidina an'Ivato iny amin'izao fotoana izao, noho ireo olona marobe mitady fonenana.
Tsy vitan'ny lafo fa tena misy fanararaotana ataon'ny tompon-trano mihitsy. «Raha trano nambara ny maraina fa 40 000 ariary ny hofany, dia lasa 100 000 ariary izy nony ny hariva», hoy izy ireo.





Fialan-tsasatra
Revon'ny lalao ny ankizy
Tabataba, horakoraka, kiakiaka, hirahira, saika izany izao no re amin'ireo toerana rehetra eny anivon'ireny fokontany ireny. Tsy mahagaga izany satria fotoam-pialan-tsasatra ny andro ka mifaly havanja ny ankizy, milalao sy manao izay mahafinaritra ny sainy.
Tsy lany kilalao tokoa, raha ny ankizy malagasy, satria ankoatra ireo nentin'ny fandrosoana, toy «jeux vidéo», dia mbola manjaka ny fehizay toy ny fanenjika, ny fangalam-piery, ny kasokasoka kapoaka, ny «vitsilia». Saika kilalao iombonana ireo, tsy misy fanavahana na ho an'ny lahikely na ho an'ny vavikely.
Ao ihany koa ny natokana ho an'ny tsirairay, toy ny tsikononkonona sy ny saribakoly ary tsivarivary ho an'ny vavy kely. Ny kalesy sy ny papango ary ny baolina kitra, mbamin'ny «bandy sy rôla » no maharevo ny lahikely.
Ny karazan-kilalao rahateo mitobaka eny an-tsena amin'izao fotoana izao ary anjaran'ny ray aman-dreny no manao izay hampifalifaliana ny zanany, araka ny fahefa-mividiny.




Santé
Un nouveau réactif de dépistage rapide
Il est possible de dépister rapidement plusieurs maladies. Entre cinq et quinze minutes, les résultats des tests sur des maladies telles que le Vih/sida, la syphilis, la malaria ou la tuberculose peuvent être obtenus.
C'est ce qu'a démonstré une équipe médicale du laboratoire Standart Diagnostic à partir de ces nouveaux réactifs instantanés. «Ces réactifs ont déjà eu l'agrément de l'OMS et seront disponibles dans les pharmacies dans un mois», indique Jack Kang, directeur de la société Kozone, représentante de ce laboratoire.




Zava-kanto
Soisa voasariky ny fitendrena valiha
Noho ny fankafizan'ity teratany soisa iray, Nicolas Bartholdi, mozika dia tsy sarotra taminy ny nifehy ny valiha izay hany zava-maneno an'ny Malagasy manokana.
«Vao nahita valiha kely nentin'ireo mpianatra anankiroa tany Soisa aho dia efa liana. Ka nony tonga teto Madagasikara dia nitady izay toerana mampianatra mozika. Natoron-dRamatoa Lala (mantsy an'ity renim-pianakaviana nikarakara azy) ahy ny CNEM teny Ampefiloha. Dia nianatra aho. Izaho rahateo tia mozika. » Izany no fanazavan'i Nicolas Bartholdi (29 taona), tovolahy teratany soisa, tamin'ny nahafehezany ny fitendrena valiha.
Hira roa, hiram-pivavahana sy hira mitory fanaovam-beloma, izay samy tendrena amin'ny orgue, ny alahady teo tao amin'ny fiangonana FJKM Anosivavaka Ambohimanarina, no nanehoany izany « talentany » izany. Izany hoe ny fahaizany mitendry valiha, teo anatrehan'ireo mpivavaka marobe tao am-piangonana, raha nanao veloma azy. Dia talanjona ny rehetra satria nirindra tsara, araka ny naoty itendrena azy tokoa no nanaovany an'ireo hira ireo tamin'ny alalan'ny valiha.
Ny volana septambra 2007 i Nicolas no tonga teto Madagasikara, araka ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny fiangonana protestanta any Soisa sy ny FJKM eto Madagasikara. Raha ny fanazavany dia hampianatra no tena foto-diany teto. Hampianatra matematika sy fizika ao amin'ny lycée protestantan'ny FJKM Anosivavaka (manana ny mari-pahaizana doctorat amin'ny matematika mantsy izy). Kanefa na izany aza tsy nanakana azy tsy hanararaotra hankafy ny kolontsaina malagasy izany.
Fianarana mozika
« Nianatra tany amin'ny CNEM mihitsy aho ary indraindray tonga aty an-trano mihitsy ny mpampianatra mampianatra ahy valiha. Zava-manenon'ny Malagasy manokana ny valiha. Ary izay no nahafinaritra ahy taminy satria tsy fahitako any aminay na any amin'ny firenen-kafa », hoy izy. Nosoritany fa nanam-potoana tsara izy nianarany an'ity valiha ity.
« Eto Madagasikara rahateo tsy dia mirotoroto loatra toy ny any ivelany ny fotoana ka azo anaovan-java-kafa », hoy ihany izy nanampy.
Ny alahady teo moa no nandao tanteraka an'i Madagasikara i Nicolas Bartholdi. Nambarany fa kanto tamin'ireo firenena efa hitany i Madagasikara.





Ambodin'Isotry
Jiolahy tratra nisikotra varavarana
Tsy noeritreretin'ireto telolahy mpamaky trano mihitsy angamba hoe amoron-dalana anie ity fivarotan'enta-madinika iray notetehiny ho vakiana, ka dia teo izy no noraisina. Voajokon'ny polisy nanao fisafoana ny tanàna tamin'ny andro alina. Ny alakamisy alina teo no nisehoan'izany teny Ambodin' Isotry.
Na dia ny fandalovan'ireo polisy teny amin'ny arabe sy tamy nanatona azy aza tsy reny akory fa efa revon'ny famakiana an'ilay varavaran'olona izy. Efa nisambotra azy ny polisy vao taitra izy telolahy. Tafaporitsaka ihany, na izany na tsy izany, ny roalahy fa ny iray no tena tsy afa-bela. Ity farany ity mantsy no tena nangady an'ilay varavaran'olona sy nanapitsoka azy tamin'ny vy be.
Resin-tory
Fa ireo roalahy namany niandry izay hahavitan'ny famakiana an'ilay trano teo akaikiny. Nentin'ny hatairana ranamana ka na ny nametraka an'ilay vy be teny an-tanana aza tsy vitany.
Ireo mpivarotra tao amin'ilay trano moa tamin' izany rehetra izany, resin-tory tsy nahare izay ambonin'ny tany. Ka ny polisy tonga vao maraina tao an-tranony no nampita ny vaovao taminy. Nambaran'ilay mpivarotra fa efa fanindiminy izao ny fivarotan'izy ireo no notetehin'ny olon-dratsy ho vakiana. Saingy tsy tanteraka foana noho ny hamafin'ny hidin-trano.
Natolotra ny Fampanoavana omaly moa ny anao lahy ary notanana am-ponja vonjimaika.




67 HA
Ripaka ny jiro manodidina ny lakan-drano
Tsy ny teny amin'ny zaridainan'Anosy iny ihany no nataon'ny mpangalatra najifa ny jiro, fa maivoka ihany koa ny eny amin'ny zaridainan'ny 67 ha atsimo, amin'ny faritry ny Cenam iny. Eny amin'iny faritra iny aza, zara raha misy mitsangana sisa ireo jiro fotsy teny amin'ny zaridaina. Nongotana hatrany amin'ny fotony ny sasany, ary ny hafa indray, ilay jiro boribory fotsifotsy teo amboniny no lasa. Dia mihanjahanja eo ny vatany. Ny fefy vy aza moa amin'ny faritra sasany, efa ringana sahady ihany koa. Notsofain'ny mpangalatra.
« Maizin-kitroka tsy toy ny teo aloha amin'izao fotoana izao iny zaridaina iny », hoy ireo mponina teny amin'ny manodidina satria tsy misy mirehitra intsony ny jiro. Nosoritan'izy ireo fa teo aloha, nisy mpiambina ny zaridaina na andro na alina. Amin'izao fotoana izao, tsy misy intsony izany ka tsy mahagagaga raha ny mpangalatra no manjaka aminy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
FITSABOANA - Nafindra toerana ireo zaza miraikitra. Ao amin'ny hopitaly Pavillon Sainte-Fleur ao Ampefiloha indray amin'izao fotoana izao ireo zazakely roalahy miraiki-kibo. Araka ny fanazavan'ny profesora Lalatiana Andriamanarivo, izay miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireto zazakely ireto, dia mba hahafahan'ireo zaza ireo mitombo tsara no antony namindrana azy.
FANADINANA - Tsaho ny fivoahan'ny laza adina. Resaka niniana naely hanakorontanana ny saim-bahoaka, raha ny fanazavan'ny Praiminisitra Rabemananjara Charles teny Ivato omaly, ilay resaka fivoahan'ny laza adina tao Toamasina.
MAHAMASINA - Miaramila nianjera teo am-panaovana fanatanjahantena. Nihintsana tao anatiny, niala tamin'ny toerany, ny sorok'ilay miaramila nianjera teo am-panaovana fanatanjahan-tena teny Mahamasina, omaly maraina.
Nangonin'i




Ampasika
Ravan'ny mpivaro-biriky ny zaridaina
Toy ny tsy nisy ilay zaridaina namboarin'ny kaominina teo Ampasika, tamin'ny fotoanan'ny lalaon'ny Nosy. Mpivaro-biriky sy fasika indray no tazana eny an-toerana.
Mba zava-bita tsara nahafinaritra nataon'ny teo aloha ihany ny zaridaina teo Ampasika, nefa dia tsy misy fotony intsony ankehitriny. Tsy hita na dia ireo fototra voninkazo naniry teo aza. Tanimena be sy vovoka sisa no hita, satria niakatra an-tsehatra naka toerana teo ny mpivarotra biriky sy fasika izay efa nanana ny toerana manokana nametrahana azy, rehefa namboarina ny tanàna. Dia tonga ihany koa ny mpivarotra vilona sakafon'ny omby.
Ambaran'ireo mponina eo amin'ny manodidina iny faritra iny fa taoriana kelin'ny niovan'ny mpitantana teto amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra no nahapotika an'ity zaridaina ity. « Tsy misalasala akory ireo mpivarotra biriky mametraka ny birikiny eo. Tsy vitan'izany fa eo ihany koa no fanaovan'ireo mpitaom-biriky hitsin-dalana rehefa misy kamiao tonga », hoy ity renim-pianakaviana iray. Tsy ny mpivaro-biriky ihany no voakasik'izany fa eo ihany koa ny mpivarotra fasika.
« Vovoka tsy laitra iainana no manjaka ety rehefa sendra rivotra mifofofofo. Mitora-jofo mihitsy », hoy ireo mpivarotra hani-masaka tsy lavitra ity toerana ity.
Tsy hita, araka izany, izay nalehan'ireo zava-maniry. Ankoatra ireo voninkazo madinika nambolena teny anefa dia nisy an'ireo karazana hazo avo, toy ny sandrify. Nefa dia tsy misy hita intsony izany, na ny fakany aza tsy hita taratra akory. Ny taretra sisa no mbola miangana. Kanefa na izany aza dia efa an-dalam-pahafatesana koa noho ny fanapotehana ataon'ny olona.





Tsena Pochard
Tsy mandeha ny varotra kasety
Tsy dia mandeha intsony amin'izao fotoana izao ny fivarotana kasety. Matin'ny CD sy ny fivoaran'ny fitaovana fandefasana izany.
Vary mangatsiaka sisa raha ny kasety, fa tsy asian'ny mpividy maso firy intsony. Izany hoe tsy mandeha intsony ny varotra. Izany no fanazavan'i Johnson Razafimananjo na i Dadanaivo (araka ny fahafantaran'ireo namany azy) mpivarotra kasety sy CD ao amin'ny tsenan'i Pochard, mikasika ity varotra kasety ity.
Io anefa no tena antom-piveloman'i Dadanaivo hatramin'izay, ka namelomany ny ankohonany. « Efa 11 taona izao no nanaovako an'ity asa ity. Nandeha tsara izy tany am-piandohana. Saingy ankehitriny dia izany no zava-misy », hoy izy.
Resin'ny CD
Nambarany fa noho ny fisian'ny CD sy ny fivoaran'ireo fitaovana samihafa fandefasana zava-maneno, izay saika CD daholo amin'izao fotoana izao, no antony nahatonga ny varotra kasety ho faty. Araka ny filazany, na dia ny tokantrano heverina ho tsy manan-katao firy aza, rehefa mividy fitaovana dia efa mahatakatra an'ireny fitaovana fandefasana CD ireny. Saika izany rahateo ihany koa moa no mitobaka eny amin'ny tsena ankehitriny, fa tsy misy firy intsony ny radio mbola ahitana fandefasana kasety. Ny mpanakanto ihany koa, etsy andaniny, tsy dia mamokatra firy azy io intsony amin'ny ankapobeny.
« Na izany na tsy izany anefa dia misy amin'ireo mpanakanto ihany, na tranainy izany na ireo malaza amin'izao fotoana izao, no mbola mamokatra kasety. Noho izy manana baha sy gadon-kira miavaka no antony anaovan'izy ireo izany. Fa tsy mandeha e ! », hoy ihany i Dadanaivo. Tsy mba toy ny CD.
Dia raha mba misy mividy aza dia amidy amin'ny masonkarena, 2 500 ariary na 3 000 ariary. Sitrany ahay vola miverina fa tsy mahatratra ny vidiny araka ny tokony ho izy intsony.
Nosoritany anefa fa mbola zavon-tany raha ny kasety amidy ao aminy.
« Marina ireo raha tsy mbola misy any amin'ny telo tapitrisa ariary any », hoy izy kivikivy. Maromaro ihany mantsy raha ny kaseti-na mpanakanto iray baoritra kely ao aminy ao. Ny mpanakanto ihany moa no nambarany fa manatitra ny sangan'asany hamidy ao aminy, araka ny fifanarahany amin'izy ireo. Io famarotana kasety io ihany koa no nanaovany fifanarahana tamin'ny OMDA, na ny sampandraharaha miaro ny zon'ny mpamorona.





Isalo
Fatin-dehilahy rovitra akanjo sy naratra
Nahitàna fatin-dehilahy iray hafa indray, omaly maraina, teny amoron'ny arabe tamin'iny faritr'Isalo iny. Izany hoe teo akaikin'ilay làlana fivilianana amin'ny toeram-pitsangatsanganana any an-toerana. Rovidrovitra ny fitafiany, indrindra fa ny avy taoriany.
Ny vatany ihany koa mifanaraka amin'izay, feno kiakiaka ny avy ao an-damosiny, manomboka any amin'ny lohany ka hatrany amin'ny tongony sy ny feny. Raha ny fanazavan'ireo mpitandro ny filaminana tonga nanao fitsirihana ny razana, dia karazan'ireny notaritaritina tamin'ny fiara ireny ity lehilahy ity. Avy eo dia nariana teo an-toerana rehefa tapitra ny ainy. Na izany aza anefa, tombatombana ihany izany, fa tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty an'ity lehilahy ity. Ary handeha araka izany ny fanadihadiana.
Damy Clarles Ralainirina no anarany, 38 taona, ary monina any Amboasary-atsimo, raha ny voarakitra tao anatin'ny kara-panondrony. Ankoatra izay dia nahitàna safira madinika telo ihany koa tao anaty paosiny, izay voalaza fa tsy dia misy vidiny firy.




Tsy ho adidy mora ny fanagasiana
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Tsy misy Gasy ka hitsipaka ny fanagasiana. Ny ahiahy no mety tsy ihavanana fa raha ny fanagasiana tokony tsy hiadin-kevitra.
Rariny loatra raha mitranga ny ahiahy noho ny kitoatoa loatra nitondrana ny fanagasiana, tsaroana indrindra tamin'ilay fehezan-dalàna 78-040.
Tsy ampy noho izany ny fidradradrana fotsiny hoe « fanagasiana, fanagasiana, fanagasiana ». Tsy maintsy resena lahatra ny olona maro dia maro, mpampianatra, ray aman-dreny ary mpianatra. Inona ilay fanagasiana heverina indray ? Inona no haha samy hafa azy amin'ilay fanagasiana tamin'ny andron'ny revolisiona sosialista ? Inona no tanjona amin'ity indray mitoraka ity ?
Isan'ny toko hamaharan'ny hambom-pontsika ny fananana teny miavaka amin'izao tontolo izao, tenin-drazana nolovaina an-jato taona maro, teny isan'ny mamaritra tsy misy fisalasalana fa avy any amin'iny faritra Malaizia sy Indonezia iny ny razantsika fahagola. Tsy misy firenena raha tsy taizaina hanana hambom-po ny vahoaka ao aminy. Ka tsy ny ragidro na ny zavamaniry tsy roa aman-tany no maha Gasy antsika fa ny kolontsaina, izay rafetin'ny teny, ny fomba ary ny tantara. Misy isika satria miavaka, ary voalohany mampiavaka antsika amin'ny fokom-pirenena hafa rehetra dia ny teny gasy.
Mivadi-dela aho raha, hatrizay folo taona izay niady hatrany ho an'ny Rova ka ankehitriny tsy hankatoa ny fanagasiana. Voan'ny tamberin-tany aho raha, hatrizay tsy nitsahatra nitanisa ny trano gasy, i Betsimitatatra, ny tsena Zoma ka izao hanozona ny fanagasiana. Tsy izaho izay roambinifolo taona izay nampahatsiahivana an'Andrianampoinimerina, nameloma-maso an-dRanavalona reniny, tsy
nitsipahan-doha an-dRainilaiarivony, nisaorana ny Menalamba, ny VVS, ny MDRM na ny AEOM, raha tsy ho tohizana ny fanagasiana natomboky ny « Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy » nimatimatesan-dry Ravelojaona sy ny namany hatramin'ny 1937.
Marina ihany koa anefa fa taona 2008 isika izao. Nosy i Madagasikara anivon'ny riaka, saingy tsy natao hitokana-monina akory izany. Mpikambana feno amin'ny fianakaviamben'ny Firenena mikambana isika, mifampiraharaha amin'ny vazan-tany efatra, mifandray amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Na dia ngidy sy tsy fidiny aza no nahaizantsika ny teny frantsay tao anatin'izay zato taona farany izay, dia fitaovana iray mahomby ahafahana manokatra varavarankely amin'ny any ivelany io. Taranaka fahadimy isika izao no mahay, na mahalala fara faharatsiny ny teny frantsay, ary raiki-tapisaka amin'ny fiainana andavanandro ny teny frantsay : tsy hanindroa ilay hadalana tamin'ny 1972-1977 isika ka indray mipi-maso dia hitonatonana hanafoana ny zato taona.
Ny teny anglisy izao no teny iraisam-pirenena tanteraka. Tsy afa-bela aminy isika amin'ny fifandraisana amin'izao tontolo izao. Tsaroana fa Rainandriamampandry, minisitra tamin'ny fanjakan-dRanavalona, raha niatrika ny miaramila hitifitra azy, dia nitafa farany tamin'ny teny anglisy niaraka tamin'ilay mpitandrina vazaha nampombaina azy.
Teny vahiny avokoa anefa ireny. Ka hanamboatra vahoaka ho an'ny sasany isika raha tsy taizaintsika amin'ny tenindrazany ny zanantsika. Fanamby iray lehibe tokoa ny fanagasiana ary tsy nisafidy ny adidy mora isika. Saingy tsy maintsy atao, hamolavolana ny olona, hanandratana ny hambom-pon'ny firenena, ary tsy haha kiringy ny taranaka gasy. Tsarovy, « ny an'ny hafa fehezina, ny an'ny tena lolohavina ».




Varotra amoron-dalana
Malalaka ny fivarotana paraky gasy
Tsy miafina mihitsy ny mpivarotra paraky gasy eny amoron-dalana. Ariary folo dia mahazo.
Malalaka, tsy araka ny lalàna manakana ny famarotana sy fitondrana paraky gasy, raha ny zava-misy eto an-drenivohitra no resahina. Saika feno azy ireny tokoa mantsy eny amoron-dalana eny. Eny amin'ny faritra iva indrindra indrindra. Hita eny an-tsena ihany koa ity entam-barotra ity ka miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna.
Resaka varotra izay, fa matoa misy ny mpivarotra, dia misy izay ny mpividy.
Dimam-polo ariary ka hatramin'ny ariary 100 no vidin'ny fonosana iray, ariary folo kosa ny indray mandrapaka. Misy tena vitan'ny mpivarotra fono tsara tokoa izy ireny mba hampisy endrika manintona azy. Nefa na izany aza, misy ihany ny fonosina amin'ny « cellophane », izay afatotra kely ny lohany mba tsy hahavery ny paraky ao anatiny.
Nambaran'ireo mpivarotra kanefa fa manome ny mpividy izy ireo na dia ariary folo aza, araka izay tadiaviny. « Tsy mandà na miavom-bola mihitsy izahay fa izay tadiavin'ny mpividy dia omena azy », hoy ireto mpivarotra anankiroa tafaresaka taminay.
Karazan'olona maro samihafa no mivezivezy eny an-dalam-be eny, ka na dia efa mora aza no anaovana ny fonosana kely indrindra, dia misy ihany ny tsy mahatakatra izany. « Tapany na eran'ny sotrokely ihany ny an'ireny dia efa ampy azy ».
Mpanelanelana
Raha ny fanazavan'ireo mpivarotra ihany, ankoatra ny mpihinana eo no ho eo, dia misy ihany koa ny mbola haka tombony, ka maka maro toy ny entam-barotra hafa. « Misy mampitady an-jatony mihitsy izy ireny ho entiny amidy any aminy », hoy ihany ireo mpivarotra.
Nosoritan'izy ireo fa paraky efa voatoto amin'ny gony no entin'olona any aminy. Ka izy ireo indray no maninjara izany anaty fonosana.
Mandeha, araka izany, ny tsenan'ny paraky gasy eny amoron-dalana.





Ivato
Mpiasa enina indray no namoy ny ainy
Nirodana tampoka, omaly antoandro, ilay trano lehibe tao amin'ny toby miaramila BANI Ivato teo aloha. Indray tototra tao, tsy nisy afa-niala ny olona enina niasa tao.
Anisan'ny tafiditra amin'ny faritra fandrodanana hanavaozana ny seranam-piaramidina ao Ivato mantsy ny misy ny toby miaramila, ka mpiasa nanatanteraka ny fandrodanana ny foto-drafitr'asa efa nijoro ireto niharan-doza ireto.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mahajanga - Mpianatra roa voarohirohy ho nanao hosoka.
Nahitana disadisa indray teo amin'ny mpianatry ny zokiolon'ny oniversiten'i Mahajanga, ny 9 jolay teo. Mpianatra roa avy ao amin'ny lalam-piofanana iray tany an-toerana mantsy, raha ny vaovao nampitain'ny zandary, no voarohirohy ho nanao taratasy hosoka nakana vatsim-pianarana. Tsy vitan'izany ihany fa mbola voalaza ho nametaveta ny filohan'ny oniversite izy ireo. Niakatra ny filan-kevi-mpamaizana, araka izany, izy ireo.
Soalala - Zazalahikely voahitsaky ny fiarakaretsaka.
Maty tsy tra-drano ilay zazalahikely, telo taona, voahitsaky ny fiara tao Andranomavo-Soalala, ny 4 jolay lasa teo. Fiara navoaka tao anaty garazy ity nitera-doza ity. Teo amin'ny lohany ilay zaza no voahitsaka. Efa nohazonina ao amin'ny borigadin'ny zandarimaria ao an-toerana araka izany ny mpamily sy ny fiara.
Nangonin'i




Brèves
Glanures
Examen - Réunion sur le baccalauréat ce jour. Une réunion d'information sur la préparation du baccalauréat se tiendra ce jour à l'université d'Antananarivo, à laquelle sont conviées les différentes entités concernées par cet examen.
Réforme - La ministre rassure. Stangéline Ralambomanana a affirmé jeudi que les directions privées acceptent la collaboration avec le ministère sur la réforme de l'éducation.




Rallye SRK
Résultats
1- Laza-Rivohery - 2h18'14''
2- Mickael-Fafah - 2h 22' 11''
3- Sitraka-Teddy - 2h 23'32''
4- Gui-gui Bone-Iando- 2h 25'16''
5- Rila-Nono - 2h30' 09'
6- Mathieu-Davonjy - 2h 41'02''
7- Ynovirah-Mamy - 2h 51'17''
8- Poussy-Bally - 2h 53' 57''
9- Hondabe-Faranzak - 3h08' 38''
10- Nanoo-Andrew - 3h15'57''
11- Bera-Fossy - 3h16'29''
12- Jano-Tiana - 3h17'10''
13- Legah-Lolot - 3h20' 34''
14- Jojo-Lalah - 3h 25'52''
15- Sissie-Patre - 3h39'00''
16- Pattie-Damaria - 3h 47' 52''





Zavakanto
Mitobaka eny an-tsena ny kapilan'ny DVD
Mameno tsena indray izao ny kapila manjelatra DVD. 1 000 ariary hatramin'ny 4 000 ariary dia mahazo ny iray.
Ny kapila manjelatra DVD sy ny DIV-X indray izao no malaza. Mitobaka eny an-tsena amin'izao fotoana izao izy ireny. Saika izany avokoa no arantin'ireo tovolahy mpivarotra kapila manjelatra amin'ny VCD teo aloha, amin'iny faritr'Analakely iny. Ao ny entin-tanana, ao ny aranty eny amin'ny talantalana, ary ao ny velarina amin'ny tany.
Dia araka izay fitobahany izay ihany koa ny vidiny, satria 1 000 ariary ka hatramin'ny 4 000 ariary dia efa mahazo izany, raha novidiana 10 000 ariary ka hatramin'ny 15 000 ariary tsy latsaka teo aloha.
Atao varoboba ny VCD
Raha ny fanazavan'i Richard, tovolahy iray mivarotra izany eo Analakely, dia any amin'ireo toerana fakan'izy ireo entana mihitsy no mitobaka izany kapila manjelatra DVD izany.
« Efa misy toerana voatokana fakanay entana mantsy, eny Tsaralalàna sy eto Analakely. Izy ireo no miantso anay rehefa misy zava-baovao tonga. Dia izay no mampitobaka azy amin'izao fotoana izao », hoy izy.
Ny sarimihetsika sy ny sary itatra mihetsika, izay natokana ho an'ny ankizikely, no tena betsaka amin'ity DVD ity. Ka voasarika amin'izany daholo na kely na lehibe. Indrindra rehefa misy an'ireny sarimihetsika na sary itatra mihetsika ireny alefan'ny fahitalavitra tapatapany isan'andro. Dia ifandrombahana mihitsy.
Jerem-potsiny sisa ny VCD, ary ny an'ny mpivarotra sasany aza dia atao varoboba izy ireny. 1 000 ariary dia efa mahazo raha 2 500 ariary na 3 000 ariary ny amarotan'ireo mpivarotra ny VCD misy ny hiran'ny mpanakanto vahiny hatramin'izay.
Mifanindran-dalana amin'ny fitobahan'ny kapilan'ny DVD sy ny DIV-X ny fitaovana andefasana azy eny amin'ny magazay, izay betsaka koa amin'izao fotoana izao. Na ireo fitaovana mitambatra tokoa aza mantsy (izay ahitana radio, fandefasana kasety ) dia famakiana ny kapila DVD no miaraka aminy. Tsy misy firy intsony ny VCD. « Sisan'entana tsy lafo no mbola misy eny amin'ny magazay, fa ny entana vaovao dia ireo famakiana DVD na DIV-X ireo », hoy ity mpiasan'ny tranombarotra malaza iray eo Analakely.





Lozam-pifamoivoizana
Olona enina naratran'ny fiara nifandona
Fiara mpitatitra iray sy fiara kely « 505 familiale » no nifandona tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny, ny talata antoandro teo, tao Soahindrana (20 kilometatra atsimon'i Fianarantsoa). Mafy dia mafy ny fifandonana tamin'ireto fiara ireto, soa anefa tsy nisy namoy ny ainy.
Na izany aza dia nisy enina no indray naratra, iray tamin'ilay « 505 familiale » ary dimy kosa tamin'ilay fiara mpitatitra. Anisan'izany ny mpamilin'ity farany, izay nambaran'ireo nanatri-maso fa nosikirina teo amin'ny familiana mihitsy.
Handeha hianatsimo ho any Ihosy ity fiara ity tamin'io fotoana io. Ilay fiara kely kosa hiditra an'i Fianarantsoa.
Raha ny fanazavan'ireo mpitandro ny filaminana dia vokatry ny tsy fanajana ny lalàn'ny fifamoivoizana no nahatonga ny loza. Raha ho an'ilay fiara mpitatitra izay hianatsimo mantsy
dia somary fidinana ny lalany teo amin'io toerana io. Ary izay no voalaza fa nahavoa ny mpamiliny, satria nisosososo ny fiara ka tonga izy dia namantana tany amin'ilay fiara kely 505 niaka-piakarana nifanena taminy.
Nikipily teny amin'ny sisin-dalana mihitsy ilay fiara kely nanaovany azy. Niparitaka teny amin'ny arabe kosa ireo entana nentin'ilay fiara mpitatitra. Izany hoe nipitika tany amin'ny 20 metatra niala ilay toerana nisehoan'ny loza.





Ankorondrano
Mpamily varian-dresaka saika nitera-doza
Saika loza mahatsiravina no niseho teo Ankorondrano, teo anoloan'ny Magro, ny zoma hariva. Varian-dresaka loatra tamin'ny mpandeha teo anilany mantsy ny mpamilin'ity fiara mpitatitra iray mandalo amin'iny faritra iny. Ka tsy hitany ilay fiara kely teo alohany nijanona teo anoloan'ny tsipika fotsy, namela ireo mpandeha an-tongotra marobe niampita.
Sendra ny firavan'ireo tanora marobe avy nijery lanonana tao amin'ny RTA indrindra mantsy tamin'izay. Dia iny ny mpamilin'ilay fiara mpitatitra nisosososo. Efa saika nodoniny ilay fiara kely teo alohany vao hitany. Niala an'iny izy dia saika ireo tanora telovavy nifampisakambina niampita tao anatin'ilay tsipika fotsy indray no nofaohiny. Ireto farany koa tsy nanampo ny fihoaran'ilay fiara mpitatitra satria efa nahita an'ilay fiarakely nijanona, ka dia nandeha nizotra nilamina no sady varian-dresaka.
Divi-janahary, araka izany, ny tsy nahavoadona azy telovavy. Efa nihoraka ny tao anatin'ilay fiara mpitatitra. Izy telolavy koa taitra ary nitabataba tamin'ilay mpamily.




Talatamaty
Lehilahy main'ny afon-tsolika
Lehilahy iray no naratra, main'ny afo tao anatin'ny garaziny, teny Ambohinambo-Talatamaty, ny 11 jolay teo. Raha ny fanazavana nampitain'ny sampana fifandraisana eo anivon'ny zandarimariam-pirenena, dia ny afon-tsigaran'ity lehilahy ity ihany no nahazo ny solika ka nitera-doza, nampidedaka an'ilay garazy. Dia nandoro nampaharatra azy koa.
Nanasa fiara tao anatin'ny garaziny izy tamin'io fotoana io. Raha ny fanazavana nampitain'ny zandarimaria, nampiasa fitaovana tsy azo ampirehetana afo izy tamin'izany, nanadiovany an'ireo kojakojan'ny fiarany. Vita ny asa fanadiovana dia nifoka sigara izy. Saingy mbola nanentoento tao anatin'ilay garazy ny enton-tsolika, ka tonga dia noraisin'ilay afon-tsigara.
May vokatr'izany avokoa na ny ankamaroan'ireo entana tao anatin'ilay garazy, ny hazo fisaka, ny boatin-doko. Ny an'ilay lehilahy moa dia ny tanany no norombasan'ny afo. Nentina haingana tany amin'ny hopitaly izy nony avy eo, ary voalaza fa tsy misy atahorana ny momba azy.




Manjakandriana
Mpivady nitondra hena halatra
Noraisin'ny zandary fotsiny teo am-piandrasana fiara, tao Manganehana kaominin'i Sambaina, distrikan'i Manjakandriana, ireto mpivady. Voalaza fa nitondra hen'omby halatra hiakatra aty Antananarivo, ny 12 jolay teo, izy ireto. Gony lehibe iray feno hena tokoa no nentin'izy ireo tamin'io fotoana io.
Raha ny fanazavana nampitain'ny zandarimaria aza, dia nisy lehilahy roa hafa niaraka tamin'izy ireo. Saingy tafaporitsaka izy ireo nony nahatazana ny zandary. Dia izy mivady sisa no noraisina teo amoron-dalana niaraka tamin'ny hena.
Nentina niverina nody tany aminy izy mivady nony avy eo, nanaovana fisavana ny tranony, ka mbola nahatrarana loha sy tratran'omby ihany koa tao. Natao ny fanadihadiana ka teo no nahafantarana fa ombivavin'olona very ny 11 jolay tao Mandravalalona, kaominin'i Sambaina, ihany ity novonoin'izy ireo ity. Tonga nijery sy nanamarina izany tao an-tranon'izy mivady mihitsy ny tompon'omby.
Eo am-pelatanan'ny zandary izy ireo amin'izao fotoana izao ary mandeha ny fanadihadiana.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Avaradoha - Nahazo fahafahana ilay vehivavy. Noho ireo zanak'izy mivady nifamono mbola kely, dia tsy nitory an'ilay vehivavy nahavanon-doza, nanindron'antsy ny vadiny, teny Avaradoha ny zoma teo, ny fianakaviam-badiny. Ny asabotsy teo izy no nentina natolotra ny Fampanoavana teny Anosy, ka nomen'ny mpitsara fahafahana vonjimaika.
Anosy - Nongotan'ny mpangalatra ny taribin-jiro. Hatramin'ny taribin-jiro milevina any ambanin'ny tany avy dia hitan'ny mpangalatra nosikirina sy nangalarina teny Anosy. Ripaka tamin'izany ny taribin-jiro mandrehitra ireo jiro marevaka nampihaingoana ny anjely mainty. Sahabo 20 metatra eo no indray very tamin'izany, ny zoma teo.
Ambohimahasoa - Vola sandoka tratra.
Niisa 38 ireo vola sandoka 10 000 ariary tratra teny amin'ireto telolahy tany Ambohimahasoa. Nentin'izy ireo teny amin'ny tsenakely saika ividianany zavatra no nahatrarana azy. Niantso zandary avy hatrany mantsy ilay mpivarotra saika hofitahiny.
Nangonin'i




Asa tanana
Mbola misy ny kiraro kodiarana
1400 ariary ka hatramin'ny 2000 ariary ny vidin'ny kiraro kodiarana. Ireo olona miasa any amin'ny baiboho no tena mpividy azy, noho ny hamafiny.
Mbola misy dia misy tokoa ny kiraro kodiarana amin'izao fotoana izao. Eny amin'iny faritr'Anosibe iny no misy azy. Tsy ny fivarotana azy fotsiny fa hatramin'ny fanamboarana azy ihany koa. Izany hoe sady eo amin'ny sisin-dalana eo ihany no fanamboarana azy ary mbola eo ihany koa ny toeram-pivarotana azy ireny.
Eo daholo ny fitaovana rehetra toy ny antsy maranitra kely dia kely, ny fantsika, ny maritoa, ny hazo fisaka ...
Asa mafy
Tsy dia mila fitaovana betsaka firy loatra mantsy, raha ny fahitàna azy, ity fanaovana kiraro hoditra ity. Didiana araka izay refin'ny tongotra (pointure) dia fantsihana avy eo. Dia izay. Vita ny kiraro. Mipetaka tsara na ny tadiny na ny saringotra eo amin'ny lohany.
Fianakaviana kely iray, miandahy miambavy, no indray manao an'ity kiraro kodiarana eny Anosibe ity ary anisan'ireny Ravalomanana Arsène. «Ny zokiko no nanao azy ity tamin'ny voalohany ary dia nandimby azy aho. Efa 17 taona izany izao no nanaovako azy ity. Mbola tsy nanambady aho no nanomboka azy», hoy izy nitantara ny niandohan'ny nanaovany an'ity kiraro hoditra ity.
Toy ny asa rehetra dia nosoritany fa mafy ny asa, mitaky herin-tsandry be. Izany hoe tsy vitan'ny malemilemy sy kanosa. Nefa, tsy araka izay ny vidiny fa mora vidy dia mora vidy.
«1 500 ariary ka hatramin'ny 2000 ariary monja ny vidiny. Raha maka maromaro ny mpividy dia milatsaka ariary zato izay. Izany hoe 1 400 ariary ny iray», hoy izy.
Nambarany fa ankoatra ireo olona maka singany avy any ambanivohitra, misy ihany koa ireo eto an-drenivohitra. Fa saika ireo olona avy any amin'ny faritany no tena mpaka an'ity kiraro kodiarana ity. «Ho entin'ireo olona any ambaiboho na any amin'ireo toerana be an'ireny bozaka misy tsilo maranitra ireny izy itony. Mafy tsy laitran'ny tsilo mantsy izy itony ka izay no itiavan'ny olona avy any amin'ny faritany azy.»
Tsy izay kodiarana rehetra anefa, raha ny nanipihan-dRavalomanana Arsène azy, dia mety fa ireny kodiarana lamba na «nylon» ireny. Tsy mety ny misy vy. Ary any amin'ireny garazy ireny izy ireo no mitady sy mividy izany. 2000 ariary ka hatramin'ny 3000 ariary no ividianany ny kodiarana iray amin'izany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
VONTOVORONA - Haaton'ny mpianatra ny fampianarana. Tsy hianatra ny mpianatry ny oniveriste ao Vontovorona raha tsy mivoaka ny vatsim-pianarana roa volana. Izay no fanapahan-kevitr'izy ireo tamin'ny fivoriam-be nataony, afak'omaly. Tsy hanao fitokonana, araka izany ireo mpianatra, fa hampiato ny fampianarana.
AMBOHIDRATRIMO - Hita ilay fiaran'ny «agence» voatafika. Teny Antanetikely ao anatin'ny distrikan' Ambohidratrimo, no hita ilay fiara «minibus» Nissan an'ny «agence de voyage». Fiara notafihin'ny jiolahy teny Mamory Ivato ny alahady hariva teo. Navelan'ireo jiolahy teny an-toerana. Efa tsy nisy tao anatiny intsony ny entana rehetra tao anatiny.
AMBOHIMANGAKELY - Fatin-dehilahy hita. Main'ny herin'aratra, raha ny fanambarana nomen'ny mpitsabo, araka ny vaovao nampitain'ny zandarimariam-pirenena, ilay lehilahy hita faty teny Ambohimangakely, ny alatsinainy tolakandro teo.
Nangonin'i




Kojakoja
Miaka-bidy ny fitaovam-pianarana
Miaka-bidy sahady ny fitaovam-pianaran'ny mpianatra. Eo amin'ny kahie aloha no ahitana fisondrotam-bidy 100 ka hatramin'ny 200 ariary ny iray.
Halafon-javatra izany ! Nahateny izany mihitsy, omaly, ity renim-pianakaviana iray, raha sendra nandeha nijery fitaovam-pianaran'ny zanany teny Analakely. Zendana izy satria kahie 200 pejy novidiany 800 ariary teo aloha, dia lasa 1 200 ariary amin'izao fotoana izao. Ny 100 pejy koa lasa 600 ariary. Raha jerena izany, araka ny fanazavany, dia nisondrotra 100 ariary ka hatramin'ny 200 ariary any ny vidiny.
Eo amin'ny kahie mantsy no tena ain'ny fitaovam-pianaran'ny mpianatra, satria io no tena zava-dehibe.
Hany ka manangona azy tsikelikely izay afaka manao izany. « Raha tena tonga ny fidiran'ny mpianatra, marina raha ho laitra vidiana ny fitaovana. Izao sahady aza dia efa miakatra ny vidiny, nefa mbola afaka roa volana sy tapany eo vao hiditra ny mpianatra », hoy izy.
Nambaran'ireo mpivarotra tafaresaka taminay, fa hatrany am-potony, any amin'ny mpivarotra ambongadiny hakana ny fitaovam-pianarana mihitsy no efa misondrotra ny vidiny. « Vantany vao vakansy ny mpianatra dia efa nisondrotra izany », hoy ity mpivarotra eo Analakely. Nosoritany mantsy fa raha vakansy ny mpianatra, io fotoana io no amoahan'ny mpivarotra ambongadiny sahady ny fitaovam-pianarana. « Ary dia efa nanangona izany ihany koa izahay, sao mantsy hiaka-bidy be izy rehefa tena tonga ny fidiran'ny mpianatra ilàna azy », hoy ihany ity mpivarotra sady renim-pianakaviana ity.
Tsy nisalasala izy nanazava fa rehefa tena tonga izany fotoana izany dia hisondrotra be ny vidin'entana. « Mbola
azoazo izy izao fa rehefa miditra ny mpianatra vao tena ho lafo tokoa ireo fitaovana ireo ». Be tokoa ny filàna eo ka manararaotra ny mpivarotra !
Tsy mbola nahitàna fisondrotany firy kosa ny vidin'ny penina sy ny kojakoja madinika sasany. 200 ariary ihany dia mahazo penina iray ary eo amin'ny 800 ariary eo ny vidin'ny loko iray fonosana kely.
« Raha izahay kely vola itony aloha dia tsy mbola mieritreritra izany fividianana fitaovam-pianarana izany. Fa ny fitadiavam-bola aloha izao no mafotaka », hoy Adeline, mpikarama mipai-bato.





Vaovao tapatapany
Tetsysy teroa
Tafika an-dranomasina - Nankasitraka azy ny lehiben'ny etamazaoro.
Nahavonjy ny ain'ireo olona roa, sisa velona tamin'ilay faharendrehan'ny sambo Tropicana II, ny tafika an-dranomasina tao Sainte-Marie. Noho izany dia nandefa taratasy fankasitrahana azy ireo ny lehiben'ny etamazaoro jeneralin'ny tafika, ny jeneraly Razafindralambo Rivohanitra. Notsipihiny tamin'izany fa ny voninahitry ny miaramila sy ny tafika iray manontolo no nasongadin'ireo tafika an-dranomasina ireo na dia eo aza ny asa makadiry iantsorohany.
Ampahibe - Mpamily nandositra ny loza nataony. Hatramin'izao tsy mbola tonga nipoitra teo anoloan'ny zandarimaria ao Betongolo ny mpamilin'ilay fiara lehibe nanao lozam-pifamoivozana teo Ampahibe ny zoma 4 jolay lasa teo. Miandry azy mantsy, noho ny fahapotehan'ny fiarany, ny tompon'ilay fiara kely VW polo GT nodoniny. Izany hoe nidoforan'ny kodiaran'ny fiarany. Efa mipetraka ao amin'ny zandary, araka izany, ny fitoriana azy.
Ambohidratrimo - Fatin-dehilahy tsy nisy nahafantarana azy
Efa simba ny endriny ary tapaka ny taolana teo amin'ny hato-tongony. Izay no zavatra hitan'ny fokonolona tamin'ilay fatin-dehilahy iray tao Tanambao Ambohimiadana, kaominin'Ampanotokana ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo, ny fiandohan'ny herinandro teo. Raha ny fanazavana nomen'ny mpitsabo dia maty vokatry ny loza nahazo azy ity lehilahy ity. Efa ho dimy andro tany ihany koa no nahafaty azy. Voalazan'ny zandary moa fa tsy nisy nahafantatra azy ny teny amin'ny manodidina na dia iray aza. Teny aminy rahateo koa tsy nisy taratasy mety ho nahafantarana azy.
Nangonin'i




Varotra amoron-dalana
Voalamina ny tsenan'i Behoririka
Mpiambina sivily avy ao amin'ny fokontanin'i Behoririka no nanala ireo mpivarotra amoron-dalana. Vatan-dehilahy 32 mahery eo no indray niasa tamin'izany.
Nilamina ny lalana eny Behoririka, manoloana an'iny faritra misy ny toeram-pivarotan'ny sinoa iny amin'izao fotoana izao. Tsy hita intsony ireo mpivarotra amoron-dalana izay nameno ny sisin-dalana sy ny arabe. Voahaja araka izany ilay hoe ny arabe ho an'ny fiara, ny sisin-dalana ho an'ny mpandeha an-tongotra.
Tsy iza no nahazoana izany vokatra izany fa ireo mpiambina sivily avy ao amin'ny fokontanin'i Behoririka. Nanao ny asany nanala ireo mpivarotra amoron-dalana tamin'izany mantsy ny mpiasan'ny kaominina hatramin'izay fa horakoraka sy daroka no nasetrin'ireo mpivarotra azy. Ary dia azy ireo mihitsy ny laka. Izao, nanjaka ny filaminana.
Fandriampahalemana
Vatan-dehilahy eo amin'ny 32 mahery eo, manao fanamiana mitovy misy soratra ny maha mpiambina sivily azy ao amin'ny fokontany, raha ny fanazavan'ny sefo fokontany, Andrianarimanana Sanda, no indray mirotsaka an-tsehatra isan'andro mandamina izany filaminan'ny tanàna izany.
« Manomboka amin'ny 7 ora sy sasany izy ireo no eo an-toerana ka tsy miala eo raha tsy amin'ny efatra ora sy sasany. Ny fokontany mihitsy no nandray ny andraikitra noho ny fitarainan'ireo mpandalo sy ireo mpivarotra amin'ireo toeram-pivarotana lehibe ireo. Kanefa na izany aza dia miara-miasa amin'ny polisy kaominaly izahay. Ireo mpivarotra dia manohana amin'ny fanatanterahana ny asa, satria izy ireo mihitsy no velon-taraina amin'ity korontana ity », hoy ity sefo fokontany ity.
Tsy ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana ihany no asa iandraiketan'ireto mpiambina sivily ireto fa eo ihany koa ny fanaraha-maso ny fandriampahalemana. « Nihaohao tao anatin'ireny mpivarotra ireny mantsy ny mpanendaka sy ny mpangarom-paosy. Ary betsaka tokoa no efa tratranay tamin'izy ireny. Nisy mihitsy aza ny mpangalatra tratra tany anaty magazay izay nibata an-kitsirano izao ny entan'olona », hoy Lanto, lehiben'ireo mpiambina sivily. Efa natolotra ny polisy avokoa moa izy ireny.
Nosoritan'ny sefo fokontanin'i Behoririka fa io eo anoloan'ny toeram-pivarotan'ny sinoa io no vaindohan-draharahan'ny fokontany amin'izao fotoana izao. Tovolahy avy ao amin'ny fokontany avokoa moa ireo noraisina ireo. Tafiditra rahateo amin'ny fampandrosoana sy fanomezan'asa ny tanora izany fanapaha-kevitra izany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Sambava - Olona 30 tsy manan-kialofana. Tsy manana afa-tsy izay teny an-kodiny sisa noho ny haintrano nahazo azy ireo. Haintrano nitranga tao amin'ny kaominin'i Marojala amin'iny faritr'i Sambava iny. Trano efatra no indray kila forehitra, ny 14 jolay teo. Tsy fantatra izay niavian'ny afo . Ny fokonolona ao an-toerana no nifanome tanana namono ny afo.
Ikalamavony - Tafaverina ny omby halatra 30. Nahomby ny fiaraha-miasan'ny fokonolona sy ny zandary tany Amboasary, kaominin'Ambatomainty ao anatin'ny distrikan'Ikalamavony, tamin'ny fanenjehana ireo dahalo mpangalatr'omby. Avotra avokoa mantsy ireo omby 30 noraofin'ny dahalo an-keriny tao an-tanàna.
Moramanga - Mpitaingina bisikileta nodonin'ny fiara. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'ilay mpitaingina bisikileta iray nodonin'ny fiara tao Moramanga, ny alarobia teo. Afaka nody avy hatrany izy rehefa avy nozahan'ny mpitsabo tao amin'ny hopitaly. Ilay fiara nandona azy kosa vaky ny fitaratra anoloana.
Nangonin'i




Asa tanana
Mahavonjy ny zaitra an-tsena
Mahavonjy ny sahirana sy ny maika ny zaitra an-tsena. Mora dia mora mantsy ny sarany satria 2000 ariary eo dia efa mahazaitra akanjo iray.
Vola 2 000 ka hatramin'ny 3 000 ariary dia efa mahazaitra akanjo eny an-tsena. Misy dia misy tokoa mantsy ny mpanjaitra eny an-tsena. Mitondra milina fanjairana ary mipetraka manjaitra araka izay ampanaovin'ny olona azy.
Raha ny fanazavan-dRazafimaharo Evelyne, renim-pianakaviana iray anisan'ny manao izany zaitra izany eny amin'ny tsenan'Ambodin'Isotry, dia tsy sarotra mihitsy ny manatanteraka zaitra eny an-tsena.
Modelin'asa
Hoy izy momba ny fandidiana lamba : « Eto ihany izahay no mandidy lamba. Efa misy lamba lehibe avelatra amin'ny tany dia eo ambonin'iny no mandidy zaitra. Refesina ny olona dia didiana ny lamba », hoy izy.
Ny zipo mibalelaka ny azy, raha ny nambarany, no tena manavanana azy. Fa na izany aza misy ny sasany mahavita lobaka sy akanjo ambony.
« Tsy manao an'ireny modelin'asa taratasy ireny izahay rehefa manjaitra fa tonga dia mandidy amin'ny lamba avy hatrany. Rehefa voarefy tsara mantsy ilay olona tsy sarotra ny mandidy lamba », hoy ihany ity renim-pianakaviana ity.
Manjaitra ny rovitra
Ankoatra ny akanjo dia ny lambam-baravarankely sy ny varavarambe no nosoritany fa tena betsaka mampanjaitra eny an-tsena.
Tsy mifidy lamba ho zairina ny mpanjaitra eny Ambodin'Isotry. Nambaran-dRazafimaharo Evelyne mantsy fa manjaitra ny rovitra ihany koa izy ireo, toy ny tata-bitrana, ny fanampenana ny loaka ...
« Maro mantsy ny olona no sahirana amin'izao fotoana izao, tsy manam-potoana hanaovana izany zaitra rehetra izany. Ka dia aleony miala vola kely mampanjaitra. Apetrany eo ny zaitra dia lasa izy mamonjy asa. Dia raisiny izany rehefa miverina izy », hoy izy.
Nosoritany anefa fa tsy mandeha toy ny teo aloha ny zaitra an-tsena, raha amin'izao fotoana izao. « Ny vanim-potoanan'ny main-tany, ankoatra ny andro fety toy ny krismasy sy ny taom-baovao, no tena fandehanan'ny tsenanay, satria mampanjaitra ety daholo ny mpamadika, ny mpanao hasoavana. Mangatsiaka koa ny andro ka be ny mampanao akanjobe an-trano... Nefa dia zara raha misy izy tamin'ity. Nanomboka tamin'ny taon-dasa iny izy no efa niha vitsy", hoy izy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tropicana II - Zandary roa natelin'ny rano. Hikaroka ireo razana natelin'ny rano tamin'ny sambo Tropicana II, ireto zandary roa avy tao Fenoarivo atsinanana, ny alakamisy teo. Nefa dia navadiky ny onja ny Zodiac nitondra azy, ka fahafatesana tampoka no hitany. Ny iray efa hita, fa ilay faharoa no mbola karohina
FJKM Anosivavaka - Fotoam-bokatra. Raha lelavola teo amin'ny 10 tapitrisa ariary teo no noezahin'ireo kristianina notratrarina tamin'ny fotoam-bokatra tao amin'ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina, dia nihoatra lavitra, nahatratra 14 tapitrisa ariary izany.
Fahasalamana - Vaksiny fanefitra. Tonga eto Madagasikara ankehitriny ny vakisiny fanefitry ny nendramboalavo. 80 000 ariary ny vidiny. Vakisiny iray no mahaaro ny ankizy latsaky ny 12 taona. Vakisiny roa kosa no ilain'ny ankizy 13 taona no mihoatra. Aretina tsy dia mahataitra ny ray aman-dreny firy izy io. Nefa dia mivadika ho areti-mandoza raha tsy voatsabo tsara.
Nangonin'i




Baolina kitra
Hifanitsana ny mpibata entana
Nivondrona ary nanangana ekipa tsirairay avy ny mpibata entana ao Ambodin'Isotry. Azon'ny ekipan'i Soja ny fandresena tamin'ny fifanitsanana.
Ny mpibata entana avy amin'ny faritra avaratra atsinanana tarihin'i Soja na Randrianarisoa Honoré, na ny FC Soja, no nibata ny fandresena tamin'ny fifanintsanana lalao baolina kitra notanterahin'ireo ekipan'ny mpibata entana avy ao Ambodin'Isotry. Ny alarobia teo no nanatanterahina ny lalao famaranana tamin'izany tao an-toerana.
Niavaka tokoa ny lalao ary azo lazaina fa nahaliana ny maro tokoa. Tsy mba irony efa ekipa nofanina manokana irony mantsy no niaka-tsehatra fa ireo « maty kapoky » ny fibatana entana zatra ny lamba iray gony isan'andro, ny hazakazaka madinika ...
Ekipa dimy tamin'ireo mpibata entana tamin'ity faritr'Ambodin'Isotry ity no indray nifanintsana tamin'izany. « Na dia samy mikarama mibata entana aza mantsy izahay dia samy manana ny faritra iasany tsirairay avy. Tsy misy mahazo mitsabatsabaka fa izay no efa anjara asa ifampizarana. Ka dia izay no nentina namaritana ny ekipa », hoy Soja (satria izay no ahafantaran'ny maro azy). Dia narafitra araka izay ny ekipa ary notanterahina ny fifanintsanana.
Iray volana teo, raha ny fanazavany, no nanatanterahina ity fifanintsanan'ny kitran'ny mpibata entana ity.
« Sambany teto Ambodin' Isotry sy ny tantaran'ny mpibata entana no nisy fifanintsanana ara-panatanjahan-tena toy izao. Ary ezahina ny hitohizan'izany hatrany », hoy ihany i Soja.
Loka maro
Toy ireo fifanintsanana fanaon'ireo taranjam-panatanjahan-tena samihafa mantsy dia nasiana loka mihitsy ny fifanintsanan'ireo mpibata entana, toy ny ondry, fanamian'ny mpanao baolina, ranom-boankazo. Ka ondry no azon'ny ekipan'i Soja tamin'izany.
Isa 2 no 0 no nandreseny ny ekipan'i Gena (FC Gena) tamin'izany izay ekipan'ny mpibata entana avy ao amin'ny faritra afovoany.
Marihina fa baolina kitra ahitàna olona fito no natao tamin'izany. Ireo mpiandraikitra ny tsenan'ny mpivaro-damba ao an-toerana, Rakotoson Léon sy Andriambonison Fanomezantsoa, no niantsoroka ny fikarakarana rehetra.





lozam-pifamoivoizana
Iray maty, telo naratra mafiy
Fiara kamiao lehibe, « Mercedes Benz » iray, afak'omaly maraina, no nivadika tao Ambalabe tao Mandritsara. Olona sivy no tao anatin'ity kamiao ity ka maty tsy tra-drano tamin'izany ny mpamiliny. Mpandeha telo hafa kosa naratra mafy izay novonjen'ny fokonolona ka nentina haingana namonjy ny hopitalin'ny Vaovao Mahafaly ao Mandritsara. Ny dimy nieren-doza na dia nisy naratra ihany aza.
Raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena izay nanao ny fitsirihana ny fisehon'ny loza tany an-toerana, dia noho ny fandehanana mafy nataon'ny mpamilin'ity kamiao ity no nahatonga ny loza. Hiditra fiolahana indrindra izy tamin'io. Ary dia izao nivadika izao.




Mahamasina
Lasa toeram-pivoahana ny zaridaina
Misy tokoa ny olona manana toe-tsaina malain-kisahirana. Tsy maka sarotra fa izay hitan'ny maso eo akaiky eo dia anaovana izay tiana hatao daholo. Eo Mahamasina eo mantsy, amin'iny zaridaina manoloana ny kianjan'i Mahamasina iny, dia zary lasa toeram-pivoahan'ny olona fotsiny izao ny zaridaina. Ny vodi-hazo amin'izany zaridaina izany no tena lasibatra.
Manao maloto eo daholo, mivalan-drano, na kely na lehibe. Izay tratry ny fahaporetana, mihazakazaka dia eo. Dia loto tsy loto no aterak'izany rehetra izany miaraka amin'ny lalitra sy fofona ratsy. Tsy laitra iainana mihitsy rehefa antoandro ny andro, indrindra rehefa midanika izay ny hain'andro. Tsy fantatra intsony na ny tsy fisian'ny fikarakarana an'ity zaridaina ity no mahatonga ny olona hanao maloto eo aminy eo na tsy firaharahiana tsotra izao fa mamapalahelo ny toe-javatra toy izao.
Raha misy toerana anisany betsaka toeram-pivoahana anefa eto amin'ny faritr'Antananarivo renivohitra dia iny manodidina an'i Mahamasina iny no tena voalohany amin'izany. Misy telo izy raha ny manodidina an'io zaridaina manoloana ny kianjan'i Mahamasina io fotsiny no resahina. Eo Antanimbarinandriana ny iray, madio ary azo idirana tsara, ao amin'ny tsena fivarotana ireo sakafo isan-karazany ny faharoa, ary eo Anosy eo amin'ny voninkazo ny fahatelo.
Na dia andoavam-bola aza ny fandehanana amin'ireny toerana ireny, azo lazaina fa zakan'ny rehetra ihany satria 20 ariary ka hatramin'ny 50 ariary dia efa afaka miditra amin'izy ireny.




Solika
Tsy misy ny solitany
Tsy misy ary sarotra tadiavina amin'izao fotoana izao ny solitany fandrehitra. Saika mihantona avokoa ny fantsona fandrarahana izany eny amin'ireo toeram-pivarotan-tsolika mivarotra izany. Raha ny fanazavan'ireo mpiasa dia hatrany am-potony mihitsy no tsy misy ity solitany ity. « Efa ho iray volana teo izao no tsy nisian'ny solitany intsony », hoy ity mpiasan'ny toeram-pivarotan-tsolika iray eo Anosibe.
Nosoritany anefa fa anisany be mpitady tokoa ity solitany ity raha eny amin'iny faritra misy azy ireo iny. Anisany tsy dia mandany firy mantsy izy, araka ny fanazavan'ity renim-pianakaviana iray etsy Anosibe, raha hampiasana hanazavana trano, miohatra amin'ny labozia, ho an'izay tokantrano tsy misy herin'aratra, ary betsaka, araka izany, ny mampiasa azy. Eo ihany koa ireo olona mpanamboatra savoka.
358 ariary eo ny vidin'ny iray litatra amin'ny solitany amin'izao fotoana izao.
« Ahiana ny hisondrotan'izany vidiny izany rehefa tonga eo ny entana », hoy ireo mpivarotra solika.




Antanetibe-Ambohidratrimo
Olona 18 lasa mahay taratasy
Afaka amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ny olona 18 avy ao amin'ny fokontany Antanetibe, kaominina Ambato, ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo.
Mihetsika eo amin'ny sehatry ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ny fikambanan'ny Reninjaza anglikana. Navoaka tamin'ny asabotsy 12 jolay ny andiany iray misy olona 18, nahavita fianarana mamaky teny sy manoratra tao amin'ny fokontanin'Antanetibe, kaominina Ambato, distrikan'Ambohidratrimo, eto amin'ny faritra Analamanga. Nifarimbona tamin'ny asa ny Reninjaza anglikana eto amin'ny diosesin'Antananarivo sy ny mpiara-miombon'antoka avy amin'ny DVV International sy ny fikambanana Fanoitra.
Hanohy ny ezaka
« Izao asa izao dia ao anatin'ny tarigetran'ny Reninjaza anglikana, izay mitady ny hampivoarana ny ara-tsaina sy ara-nofo ary ara-panahy »,hoy Razafiarivony Vololoniaina Jocelyne, mpanentana ao amin'ity fikambanam-behivavy ao amin'ny Eklezia episkopaly malagasy eto amin'ny diosesin'Antananarivo ity.
« Tsy eto Antanetibe ihany no anaovanay ezaka toy izao », hoy ihany izy, « fa misy koa amin' ny toerana hafa,ato anatin'ny diosesin'Antananarivo. Iray amin'izany ireo olona
115 vao navoaka koa tany Anosibe Anala tamin'ny volana jona teo ».
Nitondra am-bavaka ny famoahana ireto olona 18 tao Antanetibe ireto ny Révérend Ranaivoharivelo Vonjisoa Tahiana, presbytera ao an-toerana.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana Rabakoarivelo Violette, avy amin'ny DVV International sy ny mpandrindra ny fikambanana Fanoitra ary Rakotobe Roland Adrien, talen'ny Fanabeazam-pirenena, eto amin'ny faritra Analamanga. Teo koa ny raiamandreny avy amin'ny kaominina sy ny fokontany.
Namporisika ny hanohizana ny ezaka toy izao ireo rehetra nandray fitenenana, ary nitaona ireo afaka tamin'ny tsy fahaiza-mamaky teny mba hitozo amin'ny famakiana boky aman-gazety, mba tsy ho very izay azony.
Nisy toeram-pamakiam-boky nosokafan'ny Reninjaza anglikana koa ao Antanetibe, ankoatra izany.
Nofaranana tamin'ny fanolorana « certificat » ho an'ny mpampianatra sy ny mpianatra nahavita fianarana ny fotoana. Nampiseho ny talentany tamin'ny vako-drazana ny mpianatra sy ny Reninjaza teo an-toerana avy eo.





Famoran-jaza
Niasa teny Anosizato ny tafika
Mitohy ihany ny asa fanasoavana ataon'ny tafika malagasy amin'ny alalan'ny famoran-jaza faobe. Ny kaominin'Anosizato andrefana indray no nanatanterahin'izy ireo izany, ny zoma teo. Zaza miisa 61 avy amin'ity kaominina ity, miaraka amin'ireo zanaka miaramila avy amin'ny faritra manodidina, no indray noforaina tamin'izany.
Anisan'ny tanjona kendren'ny tafika malagasy ihany koa ny asa fanasoavana ny mpiara-belona toy izao.
Eo ny fitaizana ny olona hamonjy toeram-pitsaboana satria nisy tamin'ireo zaza noforainan'ny tafika ireo ny efa notontosaina tany ivelany tany, nefa tsy vita tsara ka dia mbola niverenana noforaina indray.
Eo ihany koa ny fiarovana ny olona amin'ny areti-mifindra isan-karazany, satria ny azy ireo fitaovana iray ho an'ny zaza iray.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana teny an-toerana mihitsy ny minisitry ny Fahasalamana, Ralainirina Paul Richard, ary ny kolonely Rabehasimanitra Jean Louis, komandin'ny faritany miaramila voalohany eto Antananarivo.




Mahajanga
Tovovavy nangalatra tao amin'ny sakaizany
Nanararaotra ny tsy naha tao an-trano ilay vazaha sakaizany ity tovovavy iray ka nandroba ny fananany. Vola vahiny no nalainy.
Any amin'ny fonjan'i Mahajanga amin'izao fotoana izao ity tovovavy iray voarohirohy ho nangalatra tao an-tranon'ny sakaizany tany Mahajanga. Vola vahiny 9 000 euros sy vola malagasy 2 400 000 ariary no indray notsehany tao an-tranon'ilay sakaizany. Teratany vahiny ity sakaizany. Ka izay no nanararaotany niarahana taminy, ary tonga dia izao tonga tamin'ny fandrobàna vola izao.
Sendra tsy tao an-trano ity vazaha lahy ity tamin'izay fotoana izay, ny 15 jolay teo, no nanaovan'ity tovovavy ity ny halatra. Raha ny fanazavana azo avy tamin'ny mpitandro ny filaminana avy any an-toerana, dia izy sy ny sakaizany no niray tetika tamin'ny fandrobana ny volan'ilay vazaha. Nentin'ity tovovavy ity nampidirina tao an-trano mantsy ilay sakaizany tamin'io. Ka nony maraina ny andro dia iny izy ireo no nitsoaka.
Voatafika
Saingy teny am-pitsoahana dia nofitahin'ilay tovolahy sakaizany indray koa ilay tovovavy teo, ka nilaozany niaraka tamin'ny volabe. Tsy namelàn'ilay tovolahy na dia ariary aza. Lasa izy niverina tao amin'ilay vazaha nanazava ny toe-draharaha.
Ny an'ity farany moa ny fitoriana efa nipetraka ka dia noraisim-potsiny tao an-trano izy. Ny asabotsy teo izy no natolotra ny Fampanoavana tao Mahajanga ary notanana am-ponja vonjimaika.




Vidin-tsolika
Miakatra ny saran'ny fiarakaretsaka
Misondrotra hatrany amin'ny 20 ka hatrany amin'ny 30 % any amin'izao fotoana izao ny saran'ny fiarakaretsaka. Nanomboka tamin'ny fisondrotry ny vidin-tsolika teo no nahatonga izany. Any amin'ny 4 000 ariary any amin'izao fotoana izao ny saran'ny dia manodidina ny iray kilometatra eo raha 3000 ariary teo izany teo aloha.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMBOHIMAHITSY - Entana 60 tapitrisa ariary lasa lavenona. Hazo, varavaran-kely, milina lehibe fiasana ary fiarakodia roa, miampy ny tohatra miakatra mankany an-trano, no indray lasa lavenona tao amin'ity tokantranona mpandrafitra iray eny Ambohimahitsy, ny alin'ny alatsinainy hifoha talata teo. Tsy fantatra ny niandohan'ny afo fa lelafo efa nijoalajoala no nanaitra ny tompon-trano. Mitentim-bidy hatrany amin'ny 60 tapitrisa ariary moa ireo entana lasa lavenona ireo.
TROPICANA II - Tsy mbola hita ny fatin'ilay zandary. Mbola mitohy hatramin'izao ny fikarohana ataon'ireo tompon'andraikitra any amin'iny faritra atsinanana iny, ny zandary prinsipaly kilasy faharoa Andrianjafinarivo Raymond, natelin'ny rano tany Maroantsetra raha nikaroka ireo olona tsy hita tamin'ny faharendrehan'ny sambo Tropicana II tany amin'iny fari-dranomasin'i Maroantsetra iny. Ilay iray namany, zandary kilasy voalohany, Ranaivoson Vonjy Marcel, moa dia efa naterina any amin'ny fasan-drazany any Ambatomainty Sadabe ary nisy ny fanolorana mari-boninahitra ho azy nataon'ny Filoham-pirenena sady filoha faratampon'ny foloalindahy.
Nangonin'i




Tsy aritra
Dia atao ahoana rainy a !
Raha ny isan'ny fiaraha-nisakafo no maha-mpinamana dia mpinamana izahay sy Herizo Razafimahaleo. Zokiko
ara-taona izy, ka raha izy manao ahy « ialahy », izaho kosa mivantana aminy amin'ny anarany hoe « Herizo ».
Tsotra tamiko izy, ary izaho koa tsy mba nanao teny roa taminy. Antsoiko matetika izy mba hanontaniako ny heviny rehefa misy zavatra mampisalasala ka hoy indrindra izy, faramparany teo :
« Tohizo hatramin'ny farany ny hevitr'ialahy raha tsy mbola
tapa-kevitra hirotsaka amin'ny politika » ka izany no nanaovako ilay interview nilazako fa tsy mpanao politika aho.
Na nifankahazo resaka aza izahay dia samy nanana ny heviny. Maro ihany ny olona miady hevitra fa Herizo rehefa resy lahatra dia tsy midongy amin'ny azy. Isan'ny olona vitsy fantatro mba tsapako nanaja manokana ny hevitry ny hoe « Fanjakana » izy. « Mahitsy » Herizo Razafimahaleo, izay no teny hitako mahafehy ny fifaneraseranay na dia marina aza fa ny vady aman-janany no tena nahafantatra azy.
Mpinamana moa tsy voatery hitovy hevitra ihany koa. Tsy nankasitrahako loatra moa ny nilatsahany tamin'ny fifidianana filohan'ny Repoblika farany teo. Maty tanora ihany izy satria mbola maro no vava asa niandrasana azy ary inoako marina fa mbola tsy lany hatramin'ny farany ny tokony nampiasan'ny firenena azy.
Izy no nanangana ny Express de Madagascar. Ny orinasa Stedic ihany no nokasaiko hovidiana. Izy no nandresy lahatra ahy hoe « ho hitan'ialahy izany hoe tompona gazety ». Lasa ihany ny saiko hoe nahoana no nomeny ahy io
fitaovana saro-pady io : angamba, hoy aho, ary inoako fa tsy handiso ahy ny ankohonany sy ny iray tampo aminy, satria mba tiany ihany aho.
Vahotra tokoa ny lela. Very namana aho. Tsy ho henoko intsony izy mandray ny téléphone manao hoe « Dia ahoana rainy a ? »
Edgard Razafindravahy




Fihariana
Jamba mioitra amin'ny fiainana
Na dia jamba aza i Georges, tsy mitoloko amin'izany fa miezaka mamelona ny ankohonany. Talenta nomen'Andriamanitra azy ny otra ka mitsabo olona amin'izany izy.
Tsy mba mahamenatra azy intsony ny fahajambany, fa miezaka mioitra amin'ny fiainana izy. Teny filamatry Razafimbaholahy Georges Guinemaire, raim-pianakaviana jamba izany. Nambarany mantsy fa somary nanahirana azy ihany tany am-boalohany ny fieritreretana an'ity fahajambany ity. Kanefa, tsy nataony ho vato misakana intsony izany nony taty aoriana.
« Manao asa tanana aho dia ireny taratasy antemoro ireny ; manotra olona ihany koa ary olona maro no efa sitrako », hoy izy tamim-pitsikiana. Ny mahandro sy mitoto an'ilay hodi-kazo « havoha », izay alaina any atsimo-atsinanana, no anjara asany, teo amin'ny fanaovana taratasy antemoro.
Talenta
« Ny zokiko no tena manao azy io dia manampy azy amin'izany aho. Rehefa vita ny asako dia raisin'ny mahiratra amin'izay ny fandrafetana azy, ny fametahana azy amin'
ny takelaka mba hanome an'ireny taratasy antemoro ireny. »
Eo amin'ny fanorana indray dia toy ny talenta manokana nomen'Andriamanitra azy io. Io asa io no tena imasoany amin'izao fotoana izao.
« Ny raiko no nanao azy io ary izaho angamba no nandova azy », hoy izy. Ny havizanana, ny « sinusite », ny aretim-bavony sy ny aretin-kibo ireo no tena hainy mitsabo.
« Misy toerana amin'ny vatana tsapain'ny tanako, dia eo no ahafantarako ny aretina». hoy Razafimbaholahy Georges Guinemaire. Nambarany fa olona maro no efa nositraniny tamin'izany fanorana izany. « Ny ankoatra izay dia tsy vitako fa tsara ny manatona dokotera », hoy izy tsy nihambahamba. « Noho izaho tsy manan-toerana tsara
azo andraisana marary anefa dia ny olona no miantso ahy. Ireo olona efa sitrana indray no mampita ny asa vitako, ka izay no ahafantarana ahy », hoy ihany i Georges.
Izy irery sy ny tehiny no mandeha mamonjy ny toerana aleha fa tsy misy namana.
« Sarotiny amin'ny fotoana aho, nefa ny olona indramina mazana tsy marim-potoana. Niezaka aho nizatra nandeha irery. Efa nanao ny asan' ny mpanatitra taratasy mantsy aho teo aloha, ary tamin'izay no niarahako tamin'ny namana ».
Na izany aza anefa dia nohamafisin' i Razafimbaholahy Georges Guinemaire fa mafy dia mafy tokoa ny fiainan'ny olona jamba. « Ny tena mampalahelo ahy dia izaho tsy mba afaka misafidy izay tadiaviko, eny fa na dia ny fitafiana aza. Izay hitan'ny olona fa mety amiko no entina. Soa ihany aho fa manambady ka izy no mikarakara ahy », hoy izy.
Teo amin'ny faha-33 taonany izy no nambarany fa nisy an'ity olana ara-pahitàna ity. Dia izao entiny mandrak'
izao. 032 58 394 85 na 033 14 920 68 ny laharan' ny finday azo iantsoana azy ho an'izay mila fanampiana azy amin'ny otra.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMBODIVONKELY - Faty nitsingevana tanaty lakan-drano. Vatana vehivavy lehibebe ihany, raha ny fahitàna azy, no natsingevan'ny rano tamin'iny lakan-drano eny Ambodivonkely iny, ny zoma teo. Olona handeha hiasa vao maraina no nahita ny razana.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA - Ankizivavy tapa-tongotra. Teo am-piampitàna ny arabe, tamin'iny lalana digue eny akakin'ny faritra Andohatapenaka iny, ny zoma maraina teo, ity ankizivavy kely iray, 14 taona eo, no notsenain'ny fiara. Tapaka avy hatrany ny tongony. Nentina notsaboina haingana any amin'ny hopitaly.
ANOSY - Adala nivanaka nahita ny namany. Samy variana daholo ny rehetra, teny Anosy ny alakamisy teo, raha nahita ireto lehilahy adala roa nifanena teny Anosy ka variana ny iray nahita ilay namany nitabataba mafy sy nibitabitaka teny amin'ny arabe.
Nangonin'i




Demokrasian'ny takatra sy vorondolo
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Demokrasian'ny takatra sy vorondolo
Ny tena mandreraka ny saina dia hoe manana zo hifidy tahaka ny tena koa ny olona tahaka ireny. Tena mahasorena tanteraka mihitsy raha ny fiheverana fotsiny fa mitovy ny vato alatsak'ireny olona ireny sy ny safidin'ny tena. Mampanontany tena amin'ny ity hoe « demokrasia, demokrasia » ity.
Fa olona tahaka ny inona loatra izao manirikiry azy izao, hoy ianao ? Fa tsy mba tsapanao ve ny fofona maimbo, masiso, mampihoaka, rehefa manavatsava iny lalan'Anosibe iny ? Ary tsy Anosibe ihany, fa Ambodifilao, Andravoahangy, Isotry, hatraiza hatraiza. Fofona maloto, enton'amany, manerana ny tanàna manontolo. « Antananarivo madio no tanjona, ka tadidio », « CUA miasa ho anao », « CUA miasa am-pitiavana » : fa tsy mba nisy mpitaiza tany amin'ny ray aman-dreniny tany ve ny mpanimpy fako eny rehetra eny sy ireo zatra manditsaka tahaka ny alika mpirenireny eran'ny vodihazo ?
Tsy tohatohabato, tsy lalan-kely, tsy vody rindrina, ka tsy ahitana tay sy handinganana amany. Sahabo ho roanjato taona lasa, raha vao tonga teto ny Vazaha, dia nitantara ny zavatra hitany : isaky ny elakelan-trano no manao ny ataony ny olona dia iandrasana ny ranonorana hampivarina azy any ambany tanàna na ny fandalovan'ny kisoa hitelina izao tsy fihinana rehetra izao. Hitan'ny Gasy ihany ny atao hoe « lava-piringy » rehefa ela ny ela, saingy, hatramin'izao fotoana iresahantsika izao, dia mbola misy foko sahy milaza fa fadin-drazany hono ny mitahiry maloto ka dia aleony manary diky eny amoron-dranomasina.
Fa angaha karazan'olona tahaka izany ihany ? Tetezo ireo làlana vaovao eto Antananarivo dia mba zahao firy sisa no takela-by miangana. Vao etsy Anosy fotsiny, ampototr'Ambohitsorohitra sy an-tongotr'i Manjakamiadana, dia sahan'dry tsy vanona isany ny manatsofa tsotra izao ny jiro mba nentina nanazava ny farihy maimbo. Ny trondro ao anatin'io farihy maimbo io aza, izay natao fivarinan'ny rano maloton'Antananarivo, dia mbola misy mpamosavy sahy manarato ihany.
Fa vahoaka voaozona ve ilay Gasy e ? Mba omen'ny Fanjakana fantsakana maimaim-poana dia mahavita manapaka tsotra izao ny « robinet » : satria rano tsy andoavam-bola dia aleo ho very an-tatatra fotsiny. Mbola tsy hitan'ny sasany tokoa izany main-tany tahaka ny any Etiopia. Asa goavana no miandry ny ministry ny Rano satria dia mbola ny toe-tsaina indray no tsy maintsy ovaina.
Ny aro-fanina tapahina, ny « pavé » eny amin'ny arabe angalarina atao « cale » amin'ny fiara tranon'akoho, ny tatatra tsentsina amin'ny fako atsipy amin'izay mahakamo. Tsy aty an-tanan-dehibe ihany fa hatrany ambanivohitra : tsy milalao vovoka intsony ny ankizy any fa mihosotra « cambouis » amin'ny « pièces » simba arian'ny sasany any anaty lobolobo raha tsy ny « zone franche » no mahavatra manatitra poti-damba sy akora mandoko hafahafa ny « paysage ».
Tsy an'i dada hono, tsy an'i neny, tsy handova an'io hono izy. « Ny alika tokoa no mamany eto » kanefa dia Gasy marobe, tsy lahy tsy vavy, no misonanika anaty maloto. Tsy vanona tsy hita isa no manimba ny fananam-bahoaka. Mpamosavy matetika voatantara an-gazety no manjono eo Anosy sy etsy amin'ny « marais » Masay. Misy ohabolan-drazana manao hoe « tranon-takatra nidiram-borondolo, simban'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona ». Ny alahady maraina teo hono, tany Téhéran, dia olona 28 no indray meloka ho faty ka nahantona. Ny tena halako amin'ity hoe « demokrasia, demokrasia » ity dia izao ts'isy saina, mpamosavy sy tsy vanona rehetra izao dia manana vato mitovy amin'ny tena rehefa atao ilay hoe fifidianana.




Isotry
Mifanesika ny mpanasa lamba
Zavon-tany raha ny mpanasa lamba ao Isotry ao. Efa ela no nisy an'ity toerana fanasan-damba ity ary eo ihany no mahavantana ny olona.
100 isan'andro eo, raha atao ny tombatombana, ny olona tonga manasa lamba ao amin'ny toerana fanasan-damba ao Isotry. Mifanesika mihitsy izy ireo eo satria tsy vitan'ny ao anatin'ny faritry ny toerana fanasana lamba ihany no ahitana izany fa hatrety ivelany, ety amin'ny vato sy ny tany manodidina azy ihany koa aza. Misy ny efa manana toerana fa ny tsy manana dia miandry izay mahavita vao miditra, ka izay no mahatonga azy ireo hamelatra sy hanasa ny lambany eny amin'ny sisiny.
« Mifanesika toy izao foana ny eto isan'andro. Tsy misy maraina, antoandro na hariva fa feno olona hatrany », hoy ity renim-pianakaviana iray, R Adéline. Amin'ny telo ora maraina, raha ny nanipihany azy ary nohamafisin'ireo mpanasa lamba telo vavy teo an-toerana, dia efa misy mpanasa lamba tonga.
Tsy andoavam-bola
Tsy mahagaga moa izany satria anisan'ny faritra be mponina tokoa raha iny faritra manodidina an'Isotry iny. Kanefa na izany aza, raha ny fanazavan'ireo mpanasa lamba dia saika tonga manasa lamba eo daholo ny avy amin'ny faritra manodidina rehetra an'Isotry, ny avy ao Manarintsoa, Ambodin'Isotry, Antohomandinika IVO, Ambalavao ...
Misy toerana fanasan-damba ihany ao Manarintsoa sy ao Antohomadinika ao, fa eto ihany ny olona no mandeha. « Tsy andoavam-bola toy ny any amin'ny toeran-kafa mantsy ny eto », hoy ity tovovavy iray. « Vola 50 ariary isan'andro hanadiovana ny lakan-drano fivarinan'ny rano maloto ihany no mba aloa eto », hoy R Adéline.
Miteraka olana lehibe anefa izany fahabetsahan'ny olona izany satria rehefa tonga ny amin'ny 10 ora maraina dia tsy maharaka intsony ny rano ao an-toerana. Ny mpantsaka rano ihany koa mbola manampy eo.
Saika mpikarama manasa lamba avokoa ireo vehivavy manasa lamba eo Isotry. Ao ny tsy manao afa-tsy tokantrano iray isan'andro, fa misy ny mahavita hatrany amin'ny tokantrano telo any ao anatin'ny iray andro. « 50 ariary ka hatramin'ny 70 ariary no saran'ny lamba iray amin'izany. Raha lamba firakotra izy dia 100 ariary. 1000 ariary raha bodofotsy tsotra sahaza an'olona iray, fa 2000 ariary kosa raha irony bodofotsy lehibe misy lafiny roa irony », hoy R Adéline.
Na izany aza anefa dia nambaran'izy ireo fa misedra ny mafy ihany izy. Misy amin'ireo mpampanasa lamba mantsy no tsy mahaloa ny karaman'izy ireo akory.





Tsena eto an-drenivohitra
Mifanjevo lava ny mpivarotra
Misy olana foana eny anivon'ireny tsena lehibe ireny isaky ny andro tsena, izany hoe ny eny Mahamasina sy ny eny Ambodin'Isotry. Tsy milamina mihitsy mantsy, raha ny fanazavan'ireo mpivarotra, ny fipetrahan'ny mpivarotra amin'ny toerany fa miovaova hatrany ka lasa izay tonga aloha no tompon-toerana. Misy aza voailika mihitsy na dia efa an-taonany maro nivarotana teo amin'ny toerany aza.
Korontana lava
Rehefa misy raharaham-pianakaviana maharaikitra ny mpivarotra tompon-toerana iray ka tsy ahafahany mivarotra indray mandeha fotsiny amin'ny andro tsena, dia efa olon-kafa no mahazo ny toerany. Ka tsy mety miala intsony.
Na ilay famerana ny velarana azon'ny mpivarotra iray ivarotana aza (telo metatra toradroa isaky ny mpivarotra), izay nataon'ny mpitantana teo aloha ary hita fa nety tsara tamin'ny fanomezan-toerana ireo mpivarotra, dia tsy voahaja intsony. Dia manao izay velarana tiany hatao daholo ny mpivarotra, ka eo no isian'ny fanilihana olona. Isaky ny andro tsena izany, na eo Mahamasina na eny Ambodin'Isotry, raha ny fanazavan'ireo mpivarotra ihany, dia misy mpivarotra tsy mahazo toerana hatrany.
Nambaran'ity renim-pianakaviana iray, R Nirina sy ity raim-pianakaviana iray, R Samuel, fa tsy mazava mihitsy ny resaka fandaminana ny tsena. Rehefa miova ny mpitantana dia miova araka izany koa ny mikarakara ny tsena. Ary dia mikorontana daholo ny fandehan'ny raharaha rehetra.
« Tamin'ny volana febroary izahay no efa nasaina nikarakara ny antontan-taratasy rehetra, niaraka tamin'ny sary tapaka telo, amin'ny fanomezana toerana ho anay, dia izao izahay nampanaovina izany indray. Dia niova indray ity ny mpitantana dia asa indray izay ho ataony », hoy ireo mpivarotra.





Ihorombe
Mpandeha 10 maty tsy tra-drano
Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, omaly maraina tamin'ny 6 ora sy sasany, tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Kamiao lehibe iray mpitatitra legioma no niharan-doza tamin'izany, ka mpandeha 10 no indray namoy ny ainy teo no ho eo. 16 kosa no naratra, nalefa ao amin'ny hopitalin'Ihosy. Ny 12 amin'ireo, raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana tamin'ny fifandraisana an-tariby tamin'ny komandin'ny kaompanian'ny zandary ao Ihosy, ny kapiteny Théodule Ranaivoarison, dia tena voa mafy tokoa. Mbola atahorana, araka izany, ny toe-pahasalamany. Ny efatra kosa voalaza fa efa mahatsiaro tena tsara ka tsy misy ahiana intsony.
Tsy mbola fantatra mazava, raha ny fanazavana azo, ny tena antony nahatonga ny loza. Hiaka-piakarana amin'iny an-tampon'Ihorombe iny mantsy ilay fiara, raha avy niala kely ny tetezan'Ikelivondraka, no nisehoan'ny loza. Nivily tampoka izy ary nidona tany amin'ny vodin-tendrombohitra. Dia nivadika nony avy eo.
Legioma nalaina avy tao Fianarantsoa, milanja hatrany amin'ny 10 taonina any anefa no nentiny. Nisy tamin'ny gony, nisy ny tamin'ny garaba, ka ireo no indray nianjera, nanindry an'ireo mpandeha.
Voalaza fa ankizy eo amin'ny dimy ka hatramin'ny enin-taona eo ny enina tamin'ireo namoy ny ainy.




Mahitsy
Ankizivavy bevohoka tsy fidiny
Ankizivavy kely iray, 14 taona, monina any amin'iny faritr'i Mahitsy iny, no bevohoka tsy fidiny noho ny fanolanana nahazo azy. Ka ny dokotera tany amin'ny toeram-pitsaboana tany an-toerana sy tao amin'ny hopitaly lehibe iray eto an-drenivohitra no nahafantarana izany.
Ny renibeny izay nitaiza azy mantsy no nahita ny toe-batany hafahafa rehefa nisolo akanjo izy. Nanapaka hevitra ary izy hitondra ity zaza any amin'ny mpitsabo.
Vaky barara teo ity zaza rehefa nofotorana, fa nisy lehilahy nanery azy hiaraka taminy tao an-tanàna. Nirahin'olona nividy sigara izy ka nasaina nanatitra izany tao amin'ny trano notondroina. Dia tao no nambarany fa nanaovan'ity lehilahy iray herisetra taminy.
Nametraka fitarainana tany amin'ny manam-pahefana, araka izany, ny rain'ity zaza.




Fanjifana
Manahirana ny menaka fihinana
Misedra fahasahiranana indray amin'izao fotoana izao ireo renim-pianakaviana amin'ny fitadiavana menaka. Tsy dia misy firy indray mantsy izy io ankehitriny. Raha ny marina, araka ny fanazavan'ireo mpivarotra maro nanontaniana dia ilay menaka tsotra, menaka tsy mandry, no tena tsy misy. « Sarotra tadiavina mihitsy izy io ankehitriny, mba tsy ilazana hoe tsy misy. Ilay menaka mandry izao no misy ary io no saika miparitaka amidin'ny mpivarotra », hoy i Ando, mpivarotra enta-madinika no sady mivarotra menaka eny Ankorondrano.
Nosoritany anefa fa sady misondrotra ihany koa ny vidin'ity menaka mandry ity amin'izao fotoana izao. Raha 4000 ariary mantsy ny litatra amin'ny dia lasa 4200 ariary ny vidiny amin'izao fotoana.
Tsy ny renim-pianakaviana ihany anefa no misedra olana amin'izany fahasarotana sy tsy fisian'ny menaka izany fa na ireo mpivaro-mofo ihany koa aza. Nambaran'ity raim-pianakaviana iray, mpanao mofo gasy sy ramanonaka iray eny Isotry, R. Ndriana, mantsy fa tsy tsara anendasana mofo ny menaka mandry. « Rehefa mangatsiaka ny mofo dia hita mitambaingambaingana eny ny menaka ary tsy misy mpividy », hoy izy. Nambarany fa dia afangarony amin'ny menaka tsotra ny azy ireny menaka ireny rehefa hanendy izy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Finoana - Hanao voka-dehibe ny FJKM Ambohimangidy. Fotoan-dehibe hiavaka indray ny an'ny FJKM Ambohimangidy Fiadanana, ny alahady 3 aogositra ho avy izao. Hotanterahina amin'io andro io mantsy ny voka-dehibe fanaony isan-taona. Entina hanatsarana ny fiangonana hatrany, na anatiny na ivelany ny vola azo rehetra amin'izany.
Maorisy - Gadra malagasy 19 hampodiana. Ho avy ato ho ato ireo teratany malagasy migadra ao amin'ny Nosy Maorisy, araka ny fifanarahan'ny tany roa tonta. Miisa 19 izy ireo, raha ny vaovao azo avy tamin'ny masoivohon'i Madagasikara ao Maorisy, ka ny efatra amin'ireo dia efa voatsara. Afak'omaly moa no notanterahina tany an-toerana ny taratasy fifanaovan-tsonia mirakitra izany.
Nangonin'i




Maroantsetra
Hita ny fatin'ilay zandary faharoa
Ilay zandary faharoa narendriky ny « Zodiac » tamin'ny fikarohana ny vahiny narendriky ny sambo Tropicana II, no razana fahatelo hita tany Maroantsetra.
Ilay zandarin'i Fenoarivo atsinanana nalefa nikaroka ireo vahiny narendriky ny sambo Tropicana II ilay razana hitan'ny fokonolona tao anelanelan'i Maroantsetra sy ny tanjon'i Masoala, ny 26 jolay teo. Izy izany ilay zandary faharoa narendriky ny « Zodiac » ny 17 jolay, ny GP2 Randrianjafinarivo Raymond.
Razana efa simba, tsy nisy loha sy tanana intsony izy no hita tamin'io fotoana io, raha ny fanazavana azo teo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Izany hoe tsy nisy endrika nahafantarana azy intsony. Saingy mbola hita teny amin'ny vatany sisa tavela, tsy lanin'ny biby, ny fanamiana nanaovany, ny fitafiana maramara (tenue de combat) sy ny kiraro be « rangers ». Ary izay sisa no hany namantarana azy.
Omaly ny vatana mangatsiakan'ity zandary ity no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Avy aty an-drenivohitra mantsy no fihaviany. Tonga nitsena sy nanome voninahitra ny razana tamin'izany, nanotrona ny fianakaviany ihany koa, ny komandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Raharijaona Lucien. Tamin'izany no nitondrany ny teny fampiononana avy amin'ny fianakaviam-ben'ny zandarimaria iray manontolo ary dia noraisin'izy ireo an-tanana ny fikarakarana ny razana, amin'ny fanaterana azy any am-pasan-drazany any Andramasina.
Ny taona 1998 ity zandary ity no niditra nanatevin-daharana ny asan'ny zandary ary nanomboka ny taona 2004 izy no voatendry hiasa tany amin'iny faritr'Analanjirofo iny. Efa nahavita ny fiofanana ho mpitsabo mpanampy izy.
Namela mananon-tena sy kamboty kely iray, efa-taona, izy.





Bani Ivato
Madiva hifarana ny famotorana
Kely sisa dia ho vita ny fanadihadiana mikasika ilay zava-nitranga tao amin'ny toby miaramila BANI Ivato ka nahafaty mpiasa enin-dahy ny fiandohan'ny volana jolay teo. Tenin'ny komandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Lucien Raharijaona, izany. Nosoritany fa mandeha tsara raha iny fanadihadiana iny amin'izao fotoana izao. « Tsy vato misakana ny fanatanterahana izany velively ny zava-nitranga teo amin'ny lehiben'ny borigadin'i Talatamaty izay niantsoroka an'iny raharaha iny, na dia eo aza ilay fitenenan'ny ntaolo hoe biby tsy misy lohany tsy mandeha », hoy izy. Mbola ao mantsy, raha ny fanazavany, ireo vao mandray ny raharaha ireo manamboninahitra sasany niara-niasa tamin'ny lehiben'ny borigady.
Notsindriany moa fa ny zavatra tena nivaingana, tsy maintsy nojerena tamin'iny raharaha iny, dia ny mikasika ny andraikitr'ilay orinasa nandray an-tanana ny fandravana ny trano teny amin'ny BANI. Jerena amin'izany ny fepetra nifanarahana tamin'ny fanatanterahana izany. Nanara-dalana ve sa nihoa-pefy ireo mpiasa.
Dia ho hita eo ny tohiny satria ny fianakavian'ireo niharam-boina rahateo efa miandry izay ho vokatr'izany. « Mba tsy ho matimaty foana ny havanay », hoy izy ireo.




Behoririka
Mpangalatra roalahy tratra
Tsy afa-mihetsika intsony ireo mpangalatra ao Behoririka, noho ny fisian'ireo mpiambina sivily sy polisy. Jiolahy roa hafa indray, nikasa hibata entan'olona, no sarona.
Mpangalatra roalahy no indray tra-tehak'ireo mpiambina sivily avy ao amin'ny fokontanin'i Behoririka, omaly. Tao anatin'ny magazay fivarotana sinoa eo an-toerana no nisehoan'izany. Entan'olona mpaka amin'ny gony no ndeha hobatain'izy roalahy antsokosoko. Tsy tahotra tsy henatra akory, toy ireny tompon'entana ireny.
Fanadiovana
Saingy soa ihany, saika haka ilay gony hasiany entana indrindra ity vehivavy tompony, ka izay no nalaky nahatrarana azy roalahy. Nikiaka niantso vonjeo izy, ka poa toy izay ny fahatongavan'ireo mpiambina sivily nanenjika azy. Nantsoina ihany koa ny polisy teo an-toerana.
Ny iray aloha tsy nandingana lavitra akory, fa tao anaty magazay tao ihany dia tratra niaraka tamin'ny entana. Ilay faharoa no mbola nifanenjehana tety ivelany ary azo soa aman-tsara ihany.
Nanamarika ireo mpiambina sivily fa tsy iza ireo tratra nangalatra ireo fa ny sasany tamin'ireo mpivarotra amoron-dalana noroahina hiala teny.
« Izany ihany no antony nandraisanay andraikitra amin'ny fanadiovana ity faritra eto Behoririka ity », hoy ny sefom-pokontany, Andrianarimanana Sanda. Nosoritany fa miara-miasa amin'ny delegen'ny firaisana fahatelo izy amin'izany. « Ny delege mihitsy isa-maraina no miaraka aminay midina ety an-toerana, mijery sy manara-maso ny filaminan'ny tanàna. Manala sy miantso ny fiaraben'ny fivondronana amin'ny fanesorana ireo fiara mibahan-dalana sy mipetraka amin'ny toerana tsy tokony hipetrahana. Manentana ireo mpandeha an-tongotra tsy hirotsaka eny amin'ny arabe, satria na dia lasa aza ireo mpivarotra, ny olona kosa dia mbola eny amin'ny arabe foana no mandeha ...», hoy izy.
Raha ny resaka mpangalatra azon'ireo mpiambina sivily avy ao amin'ny fokontany no resahina dia maro tokoa.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANTALAHA - Lehilahy maty novonoin'ny fokonolona. Noho ny hetraketraka namonoan'ity lehilahy an'ny vehivavy mponina iray, no nahatonga ny fokonolona hamatratra ny hatezerany tany aminy. Tao AntanambaoAntsiranandidy, kaominina ambanivohitr'Ampahany, amin' inydistrikan' Antalaha iny, no niseho ny raharaha, ny 27 jolay teo. Tsy namelàn'izy ireo, araka izany, raha tsy maty ilay lehilahy. Niezaka ny nankahatratra nanakana izao fitsaram-bahoaka izao ihany ny zandary tany an-toerana, fa tsy tratrany intsony. Ary dia ny fanadihadiana ny amin'izay antony nahatonga ny savorovoro sisa no notohizan'izy ireo.
ANOSIBE - Trano heva nirehitra. Nalaky avotry ny fokonolona tao Anosibe, omaly maraina, ny firehetan'ilay trano heva tao an-toerana. Trano natao hikarakarana sakafo maraina ho an'ireo mpivarotra eny an-toerana izy ity. Afo ratsy vono nahazo lapoaly nisy menaka, teo amboniny, no saika namoa-doza.
Nangonin'i




Behoririka
Potika tsy misy handehanana ny tohatohabato
Mahonena raha ny fahapotehan'ny tohatohabato eo Behoririka, avy aty Tsiazotafo. Zara raha misy handehanana ary manahirana ny mivezivezy aminy, na miakatra na midina.
Tsy mba vitan'ny nihotsaka fotsiny fa tena potika tanteraka ny tohatohabato iray ao amin'ny fokontanin'i Behoririka, avy aty akaikin'ny araben'i Tsiazotafo. Nianjera sy nikorontana tsy hita fipetrahany intsony ny tohotra, ny fantsona fikorian'ny rano avy any ambony rehetra any, rava ihany koa. Dia mitosaka ety ivelany avokoa ny rano maloto.
Simba e ! hatramin'ny tambohon'olona mifanila amin'ilay lalan-kely avy no rava, nironjona tsy fidiny. Ny voditranon'olona aza moa misy mitriatra mihitsy.
Ny lalana moa dia tsy misy. Zara raha misy handehanana. Olona maro anefa no mampiasa azy io, araka ny fanazavan'ireo manodidina. « Mitsingitsingina rehefa mandeha fa tsy mahazo miraparapa. Raha miakatra dia mba mahita izay hametrahana ny tongotra ihany, fa ny midina (avy any Tsiazotafo io) aminy no tena manano-sarotra satria tsy fantatra izay tany malemy sy mafy hitsahina », hoy ity tovovavy iray mipetraka manodidina an'io tohatohabato io.
Ireo vahiny sendra mandalo ao amin'ireo tanàna ireo no nosoritany fa tena sahirana fa ny mponina mba efa zatra sy mahalala ilay toerana ihany
Ho avy indray ny fahavaratra.
« Amin'izao main-tany izao izy mba eo ho eo ihany fa rehefa fahavaratra dia tena manahirana », hoy indray ity renim-pianakaviana iray. Nosoritan'ireo mponina teo amin'ny manodidina mantsy fa ny andro fahavaratra mihitsy no tena nahapotika an'ity lalana ity. « Tsy mahatanty ny fitosahan'ny rano midina avy any ambony any ilay fantsona ao anatiny dia nipoaka. Ny fantsona rahateo efa antitra satria efa tamin'ny « fahatany gasy » no nisiany, dia rava », hoy izy ireo.
Nosoritan'ny sefo fokontany ao an-toerana, Andrianarimanana Sada, fa efa hatramin'ny ela ny fokontany no nandefa taratasy filazana ny momba an'io tohatohabato simba io, fa tsy mbola misy valiny hatramin'izao. Ary dia io izy mandrak'androany io. Ho avy tsy ho ela indray mantsy ity ny fahavaratra.
Miezaka ny manamboatra izay tandrify azy ihany moa ny mponina. Saingy tsy maharitra izany.





Fiadanana
Halatra saka nisotroana ranom-bolamena
Tsy hanihany fa tena zava-nisy ! Nisotroan'ity renim-pianakaviana iray ranom-bolamena mihitsy, ny alatsinainy teo teny Fiadanana, ilay resaka saka nifanolanany tamina renim-pianakaviana hafa. Saka nangalarina izy ity ary nentina namidy tany akaikin'ny orinasam-paraky.
Ilay nangalatra, nisambotra fotsiny fa tsy nahalala mpividy. Ka izay no nitadiavany mpanera. Renim-pianakaviana iray teo akaikiny no nomeny hivarotra azy. Lafony 5 000 ariary.
Tetsy ankilan'izay, nikaroka ny fananany ilay tompony. Ary teo no nanondroan'ny manodidina an'ilay renim-pianakaviana. Dia noraisim-potsiny teo io.
Ity farany indray rehefa nofotorana tany amin'ny fokontany, no nanondro an'ilay vehivavy voalohany nitondra an'ilay saka tao aminy. Dia nifanilika teo izy roa. Ny nanome mantsy tsy niteny na inona na inona ny momba ilay saka, ny nandray koa tsy nanadihady ny nihaviany.
Rehefa vizana nifanjinja teo, dia nisotro ranom-bolamena ho mariky ny fahamarinany ilay nivarotra. Dia tena notanterahiny tokoa, nesoriny ny kavina volamena teny aminy, nalaina ny vilia, nalatsaka tao ny volamena ary dia nogohany !
Tafaverina tamin'ny tompony ihany moa ilay saka nony avy eo.




Fitadiavana
Mivarotra lasopy
Varotra lasopy mandehandeha, hitadiavana vola hanampiana ny ray aman-dreny.
Mafy tokoa rehefa tsy manana ! Na dia ankizy mbola tokony hianatra tokoa aza mantsy i Rija (18 taona) sy i Solo (11 taona) dia voatery nitsahatra tsy fidiny, niakatra aty an-drenivohitra hitady fivelomana. Izany no ataony dia mba hanampiana ireo ray aman-dreniny. T5 i Rija no niala nianatra, T4 kosa i Solo.
Mivarotra lasopy amin'ny vilany, entina mandehandeha, no anton'asan'izy roalahy. « Niasa taman'olona tao Antohomadinika aho taloha, nanangom-bola ary nividy fitaovana tsikelikely, vilany, vilia, fatapera... Dia izao manao manokana izao », hoy i Rija.
Raha ny fanazavany, tonga taloha teto an-drenivohitra izy. Nanaraka taty aoriana i Solo zandriny, rehefa nanokatra varotra ho azy manokana izy. Vola teo amin'ny 60 000 ariary teo no nentiny niainga, nikarakarana izany fivarotany sakafo masaka kely izany.
Lasopy roa vilany isan'andro no amidin'izy roalahy eo Isotry. Tsy maharitra ela fa ny antoandro ihany dia lany. Mandeha mody avy eo, hikarakara ny nahandro hariva sy ny ho entina mivarotra ny ampitso indray.
Miaraka amin'ny fatana
Amin'ny roa ora antoandro eo izy roalahy kely no tonga ao an-tranony rehefa avy mivarotra. Maka aina kely aloha, vao mandrehitra afo. Ny fikarakarana ny akoho hovonoina hanaovana lasopy aloha no atao voalohany. Manao afo roa handraona azy sy hanaovana ny sakafo hariva. Dia matory.
« Amin'ny efatra ora maraina aho no mifoha manomana ny lasopy amidy : mahandro ny atody sy ny "pâte" ary mitetika ireo zava-maitso atao haingony. Miaraka amin'izany ny fandrahoina ny sakafo maivana », hoy ihany i Rija.
Sady hamelomany ny tenany no hanampiany an'ireo ray aman-dreniny any Antanifotsy ny vola azon'izy ireo amin'izany.





Isotry
Maloto ny làlana
Efa tsy an'erany tokoa raha ny loton'ny arabe amin'iny faritr'Isotry iny. Afaka kelin'ny eo amin'ny sampanan'ny Cotona eo Tsaralalàna ka mahitsy mipaka hatrany amin'ny tranoben'ny BMH any.
Rovitra baoritra, « cellophane », fonon-javatra samihafa, horona, sesika ... Feno ny làlana ! Ary ny mahavariana aza dia efa miraikitra amin'ny làlana izy ireny. Izany hoe hita ho tsy nofafana mihitsy.
« Mahagaga mihitsy fa tsy mba misy mpamafa làlana toy ny eo Tsaralalàna ny amin'ity faritra ity », hoy R. Justine, mpivarotra eo an-toerana. Nosoritany fa ny làlana amin'ny manodidina azy anefa mba madio ihany. Misy mpamafa ihany izany miasa eny, fa ny eto amin'ity toerana ity dia lalovana fotsiny.
« Ary ny mahavariana aza dia lasa toy ny toerana fivangongoan'ny fako tsy fidiny ny "pavé" simba eo amin'ny arabe. Izahay mpivarotra ireto anefa mandoa haban-tsena isan'andro », hoy ihany ireo mpivarotra.
Izany loto rehetra izany no mbola ampian'ny tsena anio asabotsy dia asa izay hiseho eo !




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ANTSIRANANA - Mpiambina sivily nitokona. Teo anoloan' ny biraon'ny tale jeneraliny no nitorovoka nitokona sy nitaky ny zony, ny 30 jolay teo, ireo mpiasan'ny GSM izay orinasa misahana ny fiarovana sy ny fiambenana ao Antsiranana. Ny tombontsoan'ny mpiasa toy ny fikarakarana ny fitsaboana, ny fampidirana hopitaly, ireo no tena vetin'ny fitakian'izy ireo. Nilaza moa ny tale jeneralin'ity orinasa ity fa hametraka fitarainana hamaizana an'ireo mpitarika ny fitokonana.
TOLIARA - Mpiasan'ny fahasalamana voatafika. Basy poleta sy basy lava no nentin'ireo andian-jiolahy nanafika ny mpiasan'ny fahasalamana iray tany Toliara, ny 26 jolay alina teo. Sady nanao fanamiana miaramila ireo jiolahy. Lasany ny entana sarobidy tao an-trano izay mitentina 180 000 ariary niaraka tamin'ny lelavola 80 000 ariary.
ANKORONDRANO - Tovovavy very firavaka volamena sy finday. Nandritra ny fikoranan'ity tovovavy iray tao amin'ny trano fanaovam-pety teny Ankorondrano, ny alin'ny zoma teo, no nahavery ny rojo volamenany sy ny findainy. Avy hatrany moa izy dia nametraka fitarainana tany amin'ny polisy.
Nangonin'i




Ambatondrazaka
Vary nojinjain'ny mpangalatra
Ranomaso ny an'ity renim-pianakaviana iray raha tonga tany Ambatondrazaka, tao Mariane ao amin'ny kaominin' Ilafy, ny alatsinainy teo, raha saika hijery sy hijinja ny variny teny an-tanimbary izy. Olona maromaro efa nijinja vary no indreo tazany teo an-tanimbariny. Ny faritra sasany amin'io efa nadio tsy nisy vary intsony. Voalaza anefa fa mahatratra 11 ha ny velaran'ity tanimbary ity.
Nohararaotin'ireo mpangalatra, araka izany, ny mahalavi-tompo an'ilay tanimbary, satria aty an-drenivohitra ilay renim-pianakaviana no mipetraka saingy mivezivezy miaka-midina eo mijery sy manara-maso ny famboleny.
Teo no ho eo ihany izy dia niantso ireo mpitandro ny filaminana tao an-tanàna ary efa mandeha ny famotorana. Maromaro ihany, araka izany, ireo voasambotra noho izao raharaha izao.




Manala azy vita bacc
Nilamina ny lanonana
Nilamina, amin'ny ankapobeny, ny lanonana teto an-drenivohitra tamin'ny alin'ny zoma manala azy vita bacc. Saika fefika lanonana nentina nialana voly tamin'izany avokoa mantsy ny teto an-tanàna, raha tsy hilaza afa-tsy ny teny amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina nokarakarain'ny THB sy ny teny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano niaraka tamin'ny Orange.
«Tsy nisy ny korontana, ny adiady, eny fa na dia nisy lozam-pifamoivoizana aza», hoy ny commissaire central Randrianantoandro Francis, tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ny olona mamo no betsaka, raha ny fanamarihany.
Nosoritany mantsy fa saika feno olona nifety avokoa na ny teny an-dalambe aza. Ary dia teny no nikorana niaraka tamin'ny zava-pisotro.
Somary naloto, araka izany, ny tanàna, ny poti-kanina, ny vaki-tavoahangy, ny lo ...
Nisy ihany koa ny nitaraina ho very finday sy firavaka volamena nandritra izay fotoana izay.




Baolina kitra
Raikitra ny fifanintsanan'ny mpivaro-damba
«Lalao baolina kitra fifanintsanana matavy». Izany no niantsoan'ireo mpivaro-damba ao Ambodin' Isotry ny lalao baolina kitra lehibe karakarain'izy ireo manomboka ny alarobia ho avy izao.
Miroborobo fatratra amin' izao fotoana izao ny lalao baolina kitra eny anivon'ireo mpivaro-damba eny Ambodin' Isotry. Raikitra indray mantsy amin'izao fotoana izao ny fifanintsanana eo anivon'izany sehatr'asan'ny mpivaro-damba izany.
«Fifanintsanana lehibe matavy», izany no iantsoan'izy ireo an'ity lalao baolina kitra goavana karakaran'izy ireo ity, izay hanomboka ny alarobia ho avy izao eo amin'ny kianja fanaovam-baolin'Ambodin'Isotry.
Anarana faobe ihany ity mpivaro-damba ity, raha ny fanazavan'ny delegen'ny mpivarotra, Rakotoson Léon, sady mpikarakara ny hetsika, fa tafiditra ao anatin'io avokoa ireo rehetra mpivarotra manodidina ny eo amin'ny faritr'iny fivarotana ravin-damba iny. Ao izany ny mpivarotra ravin-damba, ny mpivarotra lamba tonta na friperie, ny mpivarotra kiraro tonta, ny mpibata entana ary ny mpiasan'ny tsena. Ireo rehetra ireo samy hanana ny ekipany avokoa.
Ekipa 14
Ekipa 14, araka izany, no indray hifanandrina amin' izany lalao lehibe izany. Amin'ny maha lalao lehibe azy dia goavana tahak'izany ny loka satria omby matavy no atolotra ho an'izay mpandresy eo.
Ity fifanintsanana ity no fifanintsanana faharoa nisy teo anivon'ny ekipan'ny mpivaro-damba, hatramin'izay nijoroan'ny klioba. «Efa nisy hatramin'izay ihany ny mpivaro-damba nilalao baolina teto saingy nijanona ho lalao fandraisan'anjara sy ho fitaizam-batana fotsiny ihany izany. Fa taty aoriana izy vao napetraka tamin'ny toerany ka najoro ho klioba ary dia izao nanaovana fifanintsanana goavana izao», hoy i Rakotoson Léon, mpikarakara.
Nomarihiny fa anisan'ny hanatevin-daharana, handray anjara amin'ity lalao fifanintsanana matavy ity ireo ekipa zokiny avy ao amin'ny fokontanin'Ambodin'Isotry.
Lalao baolina amin'ny ekipa fito eny ambony kianja, moa no hotanterahina amin'izany satria ny kianja kelikely ihany.





Ambohimanarina
Ijaliana ny rano fisotro
Any amin'ny 300 metatra vao mahita rano hantsakaina ny mponina ao Ambohimanarina. Tapaka noho ny fahasimbany ny paompin-drano.
Fijaliana ny rano fisotro ho an'ny mponina ao Ambohimanarina, efa ho herinandro izao. Izany hoe ho an'ny mponina ao Ambohimiadana atsimo sy ireo faritra manodidina azy, toa an'Anosivavaka, Betafo, Madera... Tapaka efa ho herinandro mantsy izao ny paompin-drano ao amin'ity fokontanin'Ambohimiadana atsimo ity. Ka any amin'ny toerana fanasan-damba any lavitra any sy any Betafo ambony ny mponina no mantsaka rano.
« Mandeha any amin'ny 300 metatra any izahay vao mahita rano hantsakaina. Raha amin'ny 7 ora maraina no mandeha mantsaka, tsy tafaverina raha tsy amin'ny sivy ora », hoy i Doda, isan'ireo mpantsaka rano amin'ity paompy ity.
Tapaka noho ny fanimbana
« Ny fanasan-damba no tena olana amin'izao fahatapahan'ny rano eto aminay izao. Ho any amin'ny fanasan-damba, efa manan-tompo daholo ny toerana any. Dia tsy maintsy miaritra ny fitaoman-drano lavitra sy ny filaharam-be », hoy kosa indray i Pélagie, renim-pianakaviana. Soa ihany, raha ny nanipihany azy, fa fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra ny andro ka tsy manenjika ora loatra.
Ny tsy afa-mandranto any lavitra any moa dia mampantsaka ka tafakatra 100 ariary ka hatramin'ny 150 ariary ny saran'ny rano iray siny lehibe, satria lavitra sy mandany ora ny fakana rano. Raha ny fanazavan'ny filohan'ny fokontany ao an-toerana, Rahelisoa Julienne, dia tsy hoe notapahin'ny Jirama akory ny rano ao amin'ity paompy ity fa tapaka noho ny fanimbana nataon'ny olona azy.Nosoritany fa efa mitady olona hanamboatra azy io ny fokontany amin'izao fotoana izao, hanalàna fahasahiranana ny mponina. Mamatsy tokantrano maro raha ity paompy tapaka eo Ambohimiadana atsimo ity. Ireo mampiasa izany rahateo mandoa saran-drano 200 ariary isam-bolana.
Misy mpiandraikitra moa ny paompy, mamoha sy manidy azy, ka amin'ny efatra ora maraina izy dia efa vohaina. Hidiana amin'ny 11 ora antoandro any ary vohaina indray amin'ny telo ora, ka tsy mihidy intsony raha tsy amin'ny sivy ora alina.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
AMPEFILOHA - Fiara mpitatitra nalain'ny jiolahy. Lehilahy telo nitondra basy poleta no tonga nanafika ny mpamilin'ity fiara mpitatitra iray teo Ampefiloha, omaly maraina vao nangiran-dratsy. Naidiny avy teo amin'ny familiana ilay mpamily ary nentiny ny fiara. Norobain'izy ireo teny amin'ilay mpamily ihany koa ny vola mitentina 100 000 ariary natao hividianana solika. Raha tsy nanao lozam-pifamoivoizana teny Anosipatrana moa ireo jiolahy tsy avotra ny fiara. Ry zalahy kosa lasa nitsoaka.
IFANADIANA - Olona roa maty navadiky ny fiara. Vokatry ny fahatapahan'ny fanisatra teo amin'ity kamiao Mercedes iray no nampivarina an-kady azy tany amin'iny lalam-pirenena faha-25 iny, tao Ifanadiana, ny asabotsy teo. Mpandeha efatra izy no tao anatin'ity kamiao ity ka namoy ny ainy teo no ho eo ny roa. Ireo roa ambiny kosa naratra.
ANGOVO - Miakatra ny vidin'ny arina fandrehitra.
Tafakatra hatrany amin'ny 15 000 ariary ka hatrany amin'ny 18 000 ariary amin'izao fotoana izao ny vidin'ny arina fandrehitra iray gony, raha 8 000 ariary ka hatramin'ny
12 000 ariary izany teo aloha. Vokatry ny fiakaran'ny lasantsy sy ny gazoala no nambaran'ireo mpivarotra fa anton'izany.
Nangonin'i




Behoririka
Nilanja sora-baventy ireo mpivarotra
Sora-baventy vitsivitsy maneho ny tsy fankasitrahany ny fanesorana azy tsy hivarotra no nolanjaina sy narantirantin'ireo mpivarotra amoron-dalana teo Behoririka, omaly.
Nikasa ny hiverina hivarotra teo amin'ny sisin-dalana sy teny amin'ny sisin'ireo trano fivarotana sinoa teo an-toerana indray mantsy ireto mpivarotra ireto. Ka tonga dia nosakanan'ireo mpiambina sivily avy ao amin'ny fokontanin'i Behoririka sy ireo mpiasan'ny kaominina.
Raikitra ny fifamaliana sy ny tabataba. Nanazava ny sefo fokontany ao an-toerana, Andrianarimanana Sanda, fa efa nisy fandrarana mihitsy nataon'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny boriborintany fahatelo
sy ny ao amin'ny distrikan'Antananarivo III, amin'ny tsy hivarotan'ireo mpivarotra eo amin'ny sisin-dalana, fa mbola misisika ihany ireo mpivarotra.
Nomena toerana malalaka ao ambadiky ny CSB-n'Andravoahangy ireo mpivarotra ireo hivarotany. Nefa voalaza fa tsy mety mandeha any.
« Ety no mety amin'ny tsenanay », hoy ny sasany amin'izy ireo mitsatsaingoka.




Analakely
Tsy mety miala ireo mpivarotra
Ny eo Analakely eo izany dia tsy mety foana mihitsy ny mpivarotra amoron-dalana. Raha vao tolaka ny andro, manodidina ny amin'ny 12 ora sy sasany eo, dia efa indreny izy rehetra mirotsaka mamelatra ny entany. Ao ny mpivaro-kapila manjelatra, ny mpivaro-dovia bakoly, fitafiana, kilalao, kiraro, kojakojam-behivavy... Tonga hatrany amin'ireo mpivaro-damba tonta izay manana ny toerany eny Ambodin'Isotry sy ao tsenan'i Pochard.
Ny sasany mivarotra manaraka ny vodirindrin'ireo magazay eo an-toerana, ny hafa manamorona ny sisin-dalana sy eny amin'ny arabe. Dia toy ny teo aloha e, ny omaly tsy miova !




Zava-kanto
Mitobaka ny DVD piraty amin'ny hira malagasy
Mitobaka eny amin'ireo tsenan'ny DVD piraty eto an-drenivohitra indray koa amin'izao fotoana izao, ireo zava-kanto malagasy, ny hira madinika sy sarimihetsika isan-karazany. Any amin'ny DVD any indray mantsy izao no malaza, ka rafitra mangalatra manao izany indray ireo mpanao piraty.
Hira eo amin'ny 150 eo no raketin'ireo mpamokatra izany amin'ny kapila manjelatra iray, satria tsy sangan'asana mpanakanto iray fotsiny no raketin'izy ireo ao anatiny fa sangan' asan'olona maromaro. Izany hoe DVD iray ahitana mpanakanto efatra na dimy eo.
8 000 ariary ka hatramin' ny 10 000 ariary eo no amarotan'ireo mpivarotra izany. Ary saika mitovy avokoa ny vokatra amidin'izy ireo eny an-tsena, na eo amin'ny haingony izany, na eo amin'ny fisafidianana ireo mpanakanto. Izany hoe, raha tsorina, dia olona iray ihany no mpamokatra sy mpanaparitaka azy.




Antananarivo
Maizin-kitroka ny elakela-trano
Mitakizina ao anatin'ny haizina ankehitriny ny elakela-trano sy ny arabe sasany eto an-drenivohitra. Manahy ny firongatry ny asan-jiolahy, araka izany, ny mponina.
Tsy misy izay tsy velon-taraina avokoa amin'izao fotoana izao ny mponina eto an-drenivohitra noho ny fahamaizinàn'ny tanàna amin'ny alina. Saika tsy misy mirehitra avokoa mantsy ankehitriny ny jiro ny andrin-jiro. Na ny arabe aza vitsy no mirehitra. Ny elakela-trano moa dia tsy lazaina intsony fa tena maizina tanteraka.
Ny jiro eny amin'ireo magazay lehibe eny amoron-dalana sy izay any amin'ny elakela-trano sisa no mba hany manazava ny tanàna.
Tsy mifidy faritra ny ahitàna izany fa saika manerana ny renivohitra mihitsy raha ny fitarainana voaray avy amin'ireo mponina eto an-drenivohitra,toy ny eny Ambodin'Isotry, Manarintsoa, Ambalavao, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Ambanidia, Soanierana, Tsimbazaza, Andraisoro, Ambohimanarina, Ambodimita ...
Raha ny fanazavan'ireo sefo fokontany sasany, izay nanome fanazavana mikasika an'ity fahamaizinan'ny tanàna ity, dia nambaran'izy ireo fa efa manao ezaka mihitsy ny fokontany tsirairay amin'izao fotoana izao mividy ny takamoa entina hampirehetana ireny jiro amin'ny elakela-trano ireny. Saingy ny olona hametaka azy no tsy misy. Miandry ny mpiasan'ny Jirama mantsy hametaka azy. Ho an'izay fokontany manana mpiasan' ny Jirama mipetraka ao aminy moa dia izy ireo ihany, noho ny fisian'ny fiaraha-miasa amin'ny fanasoavana ny tanàna, no antsoina hametaka ny takamoa. Dia miala ny haizina. Fa izay tsy manana izany kosa dia eo no raisina !
Mitsipozipozy
Ny olana iray koa anefa, raha ny fanazavana nomen'
ireo sefo fokontany sasany ihany, ny « douille » amin'ny andrin-jiron'ny Jirama mihitsy no efa misy fahasimbana. Ka na voasolo aza ny takamoa, tsy ampy firy tapabolana akory dia efa maty.Ny sasany aza moa tsy mamoaka hazavana
araka izay tanjak'ilay takamoa akory fa mitsipozipozy dia maty avy eo.
Ny fahorian'ny mponina amin'ny fahamaizinan'ny tanàna dia noho ny fanjakan'ny asan-jiolahy, indrindra fa rehefa amin'ny fotoanan'ny fandraisam-bola iny.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
ITAOSY - Raim-pianakaviana nihinam-panafody marobe. Avotra ihany ilay raim-pianakaviana nitelina fanafody fampatoriana maro be, teny Itaosy, ny zoma teo. Ny ambim-panafody hita teny an-tanany no nahafantarana ny zavatra nohaniny. Tsy nahatsiaro tena teny an-dalana moa izy no naterina tany amin'ny hopitaly.
ANOSIBE - Renim-pianakaviana nitsatohan'ny fantsika. Eloben'ny mpivarotra amoron-dalana teo Anosibe no niteraka ny loza. Notsofin'ny rivotra mafy ilay elo ka nianjera. Mpandalo telo no rakotra tao. Saingy ity renim-pianakaviana no voa mafy. Nitsatoka mafy teo amin'ny tanany ny fantsika tamin'ilay elobe.
TAFIKA - Famindram-pahefana ara-miaramila teny Ivato
Ny lietnà kolonely Raharijaona Sedera Nirina indray no mpibaiko vaovao ny rezimanta voalohan'ny Hery Vonjin'ny Tafika malagasy eny Ivato. Ny zoma teo no notanterahina ny lanonana famindram-pahefana teo aminy sy teo amin'ny mpifehy taloha.
Nangonin'i




Vaovaotapatapany
Tetsy sy teroa
FARITR'I MELAKY - Fatin-dehilahy tao anaty renirano. Razana efa nanomboka ho simba no hitan'ny fokonolona tao amin'ny reniranon' Ambavarano, distrikan'Ambatomainty, faritr'i Melaky, ny 4 aogositra teo. Tapaka ny tanany ary nahitana dian'antsy ny kibony sy ny tongony havia. Tsy nisy marika na taratasy nahafantarana azy mihitsy teny aminy. Araka ny mpitsabo nizaha ny razana teny dia efa maty dimy andro eo izy io. Ny zandarin'Ambatomainty no misahana ny famotorana.
MAEVATANÀNA - Fiara mpitatitra nivarina anaty hantsana. Mpandeha roa no naratra mafy tamin'ny fahalatsahan'ilay fiara mpitatitra tao anaty hantsana, tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo amin'ny PK 181 Andohalo atsimo Andalamahitsy, ao amin'ny fokontanin'i Mahatsinjo. Noho ny fatahatapahan'ny fanisatr'ilay fiara no nahatonga ny loza. Nieren-doza kosa ireo mpandeha 11 hafa tao anatiny...
Nangonin'i




Anosibe
Fatim-by vidina Ar 200 ny kilao
Fianakaviana maromaro no indray mivelona amin'ny fividianana fatim-by ao Anosibe. 200 ariary no andraisan'izy ireo ny iray kilao amin'izany.
Tsy misy very mihitsy ny vy amin'izao fotoana izao raha ny hita eny Anosibe, amin'iny sisin'ny lakan-dranon'Andriantany iny. Misy mpivarotra mandray azy ireny mantsy eo. Ka na dia ireny fatim-by heverina ho faran'izay kely ireny aza, toy ny tapa-panitso, ny poti-bim-piarakodia, ny fitaovana ampiasaina ao an-tokantrano... dia lafo eo avokoa.
« Roanjato ariary ny kilao andraisanay azy eto », hoy ity renim-pianakaviana mividy izany eo an-toerana. Efa vonona eo miaraka aminy eo, araka izany, ny mizana lehibe mahazaka hatramin'ny 200 kilao. Amin'ny gony mihitsy ny fatifatim-by vidin'ity renim-pianakaviana ity ao Anosibe. « Mandray izay karazam-by rehetra misy izahay. Na somary harafesina aza izy ka mbola mafy dia vidinay. Jerenay ihany anefa izay tsara. Tsy raisinay ny efa malemin'ny harafesina», hoy ihany izy.
Entana « madio »
Mikasika ny halatra vim-panjakana eny amin'ny arabe ireny, toy ny takelaka fanoroan-dalana sy ny arofanin-tetezana, dia nosoritan'ity raim-pianakaviana mpivarotra eo Anosibe ihany fa tsy mandray an'ireny izy ireo.
« Tsy mandray vim-panjakana mihitsy izahay na iza mitondra eto na iza. Efa fivelomanay ity ka tsy te-hidi-bingo any Antanimora sy eny amin'ny fitsarana amin'izay zavatra kely indray mandeha izahay. Matoa izahay mandray izao entana izao sy mandanja izany eto ankalamanjana dia "madio" ny entana vidinay », hoy izy.
Nososoritan'izy roa ireo fa efa misy mpandray ny fatifatim-by vidiany, ka any izy no maka tombony kely. Araka ny fanazavan'ireto mpividy vy ireto dia asa fivelomana hitany vao haingana izy ity.
« Hatramin'izay nisian'ny olona mividy vy izay no nahatonga anay nitady an'izao fivelomana izao. Zava-kafa no nataonay taloha », hoy izy ireo. Maro ihany koa ireo olona tonga mitady vy ka mivarotra izay hitany eo an-toerana.





Ankadifotsy
Mikatsaka ny mahafinaritra ny fokontany
Tsy ny mahasoa ny mponina ihany no katsahina ao Ankadifotsy Befelatànana fa ny mahafinaritra ihany koa. Tenin'ny sefo fokontany ao aminy, Rakotomalala Rija, izany raha nanara-maso ny asan'ny mpikarakara zaridaina ao aminy izy.
Nosoritany mantsy fa isan'ny asa ezahin'ny fokontany ao aminy ny fananganana zaridaina amin'izay toerana tokony asiana izany. Toy ny sisin-dalana, ny toerana malalaka... Sady endriky ny tanàna rahateo no fahafinaretan'ny saina, ialana amin'ny fanaovan'ny sasany maloto amin'ireny toerana ireny. Ary dia tezaina, araka izany ny mponina mba hahay hanaja azy ireny.
« Mahavatra mividy zana-kazo sy zana-boninkazo mihitsy ny fokontany amin'izany. Olona manokana ihany koa no karamain'ny fokontany mikarakara izany », hoy ity sefo fokontany ity. Ny soa fianatra.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fitsaboana - Mitombo tsara ireo zaza roa miraikitra. Kely sisa dia hahazo enina kilao ireo zaza roalahy kely miraikitra tsaboina ao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha, i Mahagaga sy i Mahalatsa. Salama tsara ihany koa ry zareo, araka ny fanazavan'ny profesora Lalatiana Andriamanarivo, lehiben'ireo mpitsabo hiatrika ny fandidiana azy. Mbola ao amin'ny « pavillon Sainte-Fleur » moa izy ireo.
Zandarimaria - Hivoaka ireo andiany mpibaiko alika. Anisan'ny fitaovana ampiasain'ny zandarimariam-pirenena, entina hitsongoana dia ireo jiolahy, ny alika. Hamoaka andiany iray mpibaiko izany izy ireo anio, eny Mandrosoa Ivato.
Toamasina - Hain-trano namoizan'ain'olona.
Lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny fipoahan'ny vy be nisy entona fandrehitra, tao Valpinson, Toamasina I, afak'omaly atoandro tokony ho tamin'ny 11 ora. Nisy lehilahy iray hafa ihany koa naratra.
Nangonin'i




Angovo
Saribao hafa kely fandrahoana sakafo
Aranty ao amin'ny Fier-Mada eny Antanimena ny saribao hafa kely vita amin'ny tanimanga sy ny faikan-java-maniry, entina handrahoana sakafo.
Noho ny fiarovana ny tontolo iainana, sy ialàna amin'ny fandripahana ala, dia nahavita saribao vaovao entina handrahoana sakafo ny mpikaroka. Anisan'ireny ny vokatry ny fikarohana nataon-dRabeson Rodolphe, monina eny Anosibe, manam-pahaizana manokana momba ny angovo fampiasa ao an-tokantrano na ny afo. Tsotra ilay saribao, raha lazaina satria tanimanga sy ireny faikan-java-maniry maitso ireny, toy ny ravin-kazo, ny poti-kazo, ny taho-katsaka, ny faka-mangahazo, ny taim-pary ..., no afangaro dia vita ny arina. « M-Arina » no anarana nomeny an'ity saribao ity.
Tsy mankarary
« Dorana atao arina aloha ireo faikan-java-maniry ireo izay vao afangaro amin'ny tanimanga. Efa misy teknika manokana entina manatanteraka izany. Milina manokana ihany koa avy eo no entina mamolavola azy ho lasa saribao », hoy i Rabeson Rodolphe. Nosoritany fa nandritra ny efa-taona teo no nandaniany ron-doha nikarohany ity angovo fahandrahoana sakafo ity.
Telo volana teo izao no efa nanapariahana azy teto an-drenivohitra. « Taorian'ny nahavitàna azy, dia mbola nalefa laboratoara aloha ny vokatra, notiliana, mba ho azo antoka tsara ny momba ny fampiasana azy, izay vao naparitaka », hoy izy.
Notsipihiny, araka izany, fa tsy mankarary no sady tsy manetroka be sy tsy mamovoka manempotra toy ireny saribao tsotra ireny ity saribao vitany ity. Tsy mandoto izy ary tsy mamofona ihany koa. Azo andrahoana sakafo tsara, araka izany.« Ny tena tombontsoa azo avy aminy dia noho izy mateza. Maharitra eo amin'ny adiny roa mahery eo ny firehetany. Kanefa na izany aza dia mbola afaka manome hafanana hatrany amin'ny adiny efatra any izy, izay azo hampangotrahana rano sy hamanana zavatra tsara », hoy izy.
M-Arina iray kilao amin'izany, raha ny fanazavany, mahavita fandrahoana sakafo tontolo andro. Afaka vonoina tsara toy ireny saribao ireny mantsy izy raha vita mialoha ny sakafo andrahoana, ary afaka tapohana ihany koa raha mbola misy sakafo tsy vita.
Saribao iray taonina sy sasany isan'andro eo no vitan'izy ireo amin'izao fotoana izao. 600 ariary ny iray kilao amin'izany. Betsaka, araka izany, ny mampiasa azy ity ankehitriny, raha ny nanipihany azy.





Fitadiavana
Lavitra ny famarotana lamba landy
Sarotra vao mahita lalam-barotra ireo tantsaha mpanao landy.
Tsy moramora ny mitady vola, hoy Mily Clément. Marina tokoa izany raha ny zavatra sedrain'ireto tantsaha mpanao lamba landy ao amin'ny fokontanin'i Mahatsinjo, distrikan'Antanifotsy, amin'iny faritr'i Vakinankaratra iny. Efa asa fiveloman'izy ireo hatramin'izay ny fanaovana lamba landy, ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana,. Mandova ny taranaka ary miara-miasa daholo na kely na lehibe, satria tsy zava-mora ny fikirakirana ny landy ho tonga lamba fitafy.
Raha ny fanazavany, mandeha an-tongotra hatrany amin'ny 14 kilometatra any izy ireo, rehefa hiakatra renivohitra, na Antsirabe na ho aty Antananarivo, hivarotra ny asa tanany.
« Adiny roa eo no fotoana laninay hanaovana izany dia an-tongotra izany. Miala maraina be mihitsy mba hamonjy tsena », hoy Rakotonandrasana Jean Jerome, iray amin'ireo tantsaha mpanao an'ity asa ity. Tsy mbola tonga any amin'izay aleha akory mantsy io halaviran-dalana 14 kilometra io, fa hatreo amin'ny lalam-pirenena fahafito, eo Antsampanana-Antsoatany ihany. Eo indray no mandray fiara fitaterana mamonjy an'Antsirabe na Antananarivo.
Lalam-barotra
« Tsy mandeha irery izahay amin'izany, na dia samy mitondra ny asa tanany aza, fa miaraka maromaro », hoy indray Ravelonarivo Charles, raim-pianakaviana.
Ny vokatra anefa tsy hita be ihany. Indraindray tsara ny vidiny, indraindray ratsy, arakaraka ny filàn'ny tsena. « Soa ihany izahay fa nanangana kaoperativa, nanamora ny fitadiavana lalam-barotra ka nahafahana nandefa ny vokatra. Izay ambiny sisa tsy lasan'ny mpandray ny entana no avelatra eny an-tsena ary mba lafo daholo », hoy ireto tantsaha ireto.





Mandritsara
Raikitra ny fampisehoana ataon'i Tsiliva sy Firmin
«Tsy ho voaelingelin'ny feo mandeha mihitsy ny fampisehoana hataon'i Tsiliva sy Firmin ao an-drenivohitr'i Mandritsara, ny 17 sy 24 aogositra ho avy izao ». Tenin'ny mpikarakara ny lanonana, Amable André izany, omaly, raha nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety, teny Anosy, izy. Nosoritany fa efa hatramin'ny volana aprily no nanomanana an'ity fety ity ary ny 19 mey teo no efa nahazoana alalana avy tamin'ny ben'ny tanàna ao an-toerana.
« Ara-dalàna avokoa ny taratasy rehetra nentina nikarakarana izany, satria ny kaominina tsy manome taratasy fahazoan-dalana mihitsy raha tsy ara-dalàna ny fandoavan-ketra », hoy ihany Amable André.
Hahita lanonana, araka izany, ny mponina ao an-drenivohitr'i Mandritsara izay naniry fatratra ny hihaona amin'ireto mpanakanto malaza ireto. Efa mipetrapetraka any an-toerana ny afisy isan-karazany, izay nandaniana vola hatrany amin'ny efatra tapitrisa ariary.




La Réunion
Eugène-Dayot se pose à Pierrefonds
Le tout nouvel ATR.72 500 d'Air Austral, baptisé « Eugène Dayot », a effectué mercredi soir un vol inaugural Gillot - Pierrefonds. Mis en service régulier lundi prochain il permettra d'augmenter de 20 % les liaisons entre la capitale du Sud et Maurice et mettra Pierrefonds en correspondance à Gillot avec l'ensemble du réseau régional et long-courrier d'Air Austral.
En dépit de l'heure tardive, les pompiers de l'aéroport de Pierrefonds ont réservé mercredi soir le traditionnel accueil offert à tout nouvel avion se posant sur une plateforme, en mettant en batterie la lance à incendie de l'un de leurs camions.
Le tout nouvel ATR.72 500 d'Air Austral porte le nom d'un poète réunionnais.




Tsy misy izany « tsy maty manota izany »
«Andriamanitra irery no tsy manota ka Izy irery ihany no tsy mety maty ».
Izahay Dokotera zoky nivoaka tao amin'ny sekoly fanomanana asa ho Dokotera mpitsabo tao Ankadinandriana sy Befelatanana dia tsy mba nanao izany fianianana izany rehefa nivoaka dokotera (fitaizana sy fanabeazana no nomena anay), fa hianareo zandry taty aoriana, rehefa niova ho fakiolte ilay sekoly, izany hoe mpanome diplaoma (docteur en médecine, toy ny hoe licence ès lettres, docteur en droit, ets) fa tsy manomana mpiasa hitsabo, no nanao izany fianianana teo ambany alok'i Hippocrate izany, izay ampahatsiahivina anareo etoana :
« Eto anatrehan »'ireo mpampianatra ahy teto amin'ny toeram-pianarana ambony momba ny fahasalamana sy ireo niara-nianatra tamiko, eto anoloan'ny sarin'i Hippocrate, dia « manome toky sy mianiana aho, amin'ny anaran'i Zanahary sy ireo Razana, fa hanaja lalandava ny fitsipika hitandroana ny voninahitra sy fahamarinana eo am-panatontosana ny raraham-pitsaboana ».
Ho tsaboiko maimaim-poana ireo ory ary tsy hitaky saran'asa mihotra noho ny rariny aho, tsy hiray tetika maizina na oviana na oviana na amin'iza na amin'iza aho hahazoana mizara aminy ny karama mety ho azo.
Raha tafiditra an-tranon'olona aho, dia tsy hahita izay zava-miseho ao ny masoko, ka tanako ho ahy samy irery ireo tsiambaratelo aboraka amiko, ary ny asako tsy avelako hatao fitaovana hanatontosana ny zavatra mamoafady na hanamorana famitan-keloka.
Tsy ekeko ho efitra hanelanelana ny adidiko amin'ny olona tsaboiko ny anton-javatra ara-pinoana, ara-pirenena, ara-pirazanana, ara-pirehana ary ara-tsaranga.
Hajaiko tanteraka ny ain'olombelona na dia vao notorontoronina aza.Tsy hahazo mampiasa ny fahalalako ho enti-manohitra ny lalanan'ny maha-olona aho na dia vozonana aza.
Ho toavin'ny mpiara-belona amiko anie aho raha mahatanteraka ny velirano nataoko !
Ho rakotra henatra sy ho rabirabian'ireo mpitsabo namako koa aho raha mivadika amin'izay !
Mazava fa tsy misy izany tsy maty manota izany ny tsy fanajan'ny Dokotera ity fianianana ity.
Ny efatra aogositra dia samy nanambara ireo filazam-baovao fa naverin'ny Fanjakana eny Tsiafahy indray Ingahy Pety Rakotoniaina izay toa hoe tena tsy salama.
Ny Sedodia dia manambara fa raha sanatria sanatria maninomaninona izy, ny Sedodia dia tsy hanaiky izany hoe misy izany « tsy maty manota » izany. Matoa mantsy naverina eny Tsiafahy izy dia avy amin'ny alalana nomen'ny Dokoteran'ny Fonja !
Rakotomalala Manan'Ignace
Mambra ao amin'ny Biraon'ny Sedodia




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ankadikely Ilafy - Vazaha nisy namono. Vatana nihoson-dra rakotra dian'antsy no hitan'ny ny mpanampy azy sy ny fokonolona tao an-tranon'ity teratany vazaha iray, ny antoandron'ny 7 aogositra lasa teo. Teo ambony fandriany ny razana ary ny antsy nentina namonoana azy tao ambaniny tao. Ny zandarimarian'Ankadikely Ilafy moa no efa mandray an-tanana ny raharaha.
Bongolava - Avotra ny omby 25 very. Nirodorodo nanao ny fanarahan-dia ireo ombin'olona norobain'ny dahalo ireo fokonolona sy zandary tao amin'ny kaominin'i Mahajejy, any amin'iny faritr'i Bogolava iny. Nahita izany ireo dahalo, ka vaky tady nandositra. Navelany teo ireo omby 25 noroahiny ankeriny.
Ambodiafontsy - Tovolahy maty teny ambony moto. Tokony ho 20 taona eo ity tovolahy namoy ny ainy teny ambony moto ity, ny 8 aogositra teo. Raha ny fanazavan'ny fianakaviany dia manana aretina mitaiza azy izy ka izay no mety ho nihetsika ka nahatonga izao fahafatesany izao. Efa eo am-pelatanan'ny fianakaviany, araka izany, ny razana.
Anosikely - Nisokatra ny tsena ao Soamanatombo. Nifindra ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ao Anosikely amin'izay ireo mpivarotra nafindra toerana vonjimaika tao Anosibe. Naneho ny fahafaham-pony amin'ny fahadiovana sy ny fivoaran'ny tsena ireo mpivarotra. Saingy sahirana kosa izy noho ny havesaran'ny haban-tsena aloa isam-bolana.
Nangonin'i




Ihosy
Namono tena tamin'ny antsy
Zava-doza mampivarahon-tsana no vitan'ity lehilahy iray avy any Ihosy, ao amin'ny fokontanin'i Tanambao, tamin'ny tenany, ny 7 aogositra antoandro teo. Notsatohany ny antsy ny tendany ary dia notatazany tamin'ny koveta ny rany. Efa nomaniny mialoha avokoa izay zavatra nilainy, raha ny vaovao azo avy tany an-toerana.
Rehefa nijinika ela teo ny rà, dia lasa izy nihazakazaka namonjy niafina tao ambanin'ilay kamiao nijanona teo amoron-dalana tsy lavitra ny tranony. Ary dia tao izy no namoy ny ainy.
Nisy nahita sy niezaka namonjy nitondra tany amin'ny hopitaly ihany ranamana. Saingy tsy avotra intsony. Ny rà nitete eran'ny tokontany sy eran'ny arabe izay nipaka hatrao ambanin'ilay kamiao mantsy no narahin'ny fokonolona, ka nahitàny an'ity lehilahy ity. Ary teo no nahitàna ny ratra be teo amin'ny tendany. Nozahàna avy eo ny tao an-tranony ka koveta feno rà sy antsy nihoson-drà nipetraka teo akaikiny no hita.
Voalazan'ny vaovao azo avy tany an-toerana moa fa noho ny nandaozan'ny vadiny azy no nahatonga azy ho nanao an'izao fanapahan-kevitra izao.




Fanaraha-maso
Mihabetsaka indray ny fanamiana miaramila
Manomboka mivahavaha indray amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso an'ireny fanamiana miaramila ireny na izay mitovitovy aminy anaovan'ny sivily. Hita ho mihabetsaka mihitsy mantsy ankehitriny ny manao azy ireny eny an-dalambe rehetra eny, na pataloha, na ambonin'akanjo ...
Asa na noho ny fiovan'ny tompon'andraikitra niantsoroka izany asa izany no nahatonga izany na ahoana, fa na dia misy mpitandro ny filaminana mahita izany aza, dia lasa fotsiny. Tsy mahagaga raha toa ka miseho indray any amin'ny faritra ambanivohitra any ny jiolahy manao fanamiana miaramila ka mampihorohoro sy manafika olona etsy sy eroa.




Anosy
Tapitra ireo jiro eny amin'ny anjely mainty
Saika ripaky ny mpangalatra ireo jiro amin'iny faritra misy ny anjely mainty iny. Manomboka mahasarika mpitsangantsangana anefa io toerana io amin'izao fotoana izao.
Anisan'ny mahasarika mpitsangatsangana tokoa amin'izao fotoana izao iny amin'ny anjely mainty eny Anosy iny. Vakansy rahateo mantsy ny andro ka maro ireo ray aman-dreny no mandeha mitondra ny zanany mijery ny zava-misy eny am-potony eny Ny toerana rahateo voavoatra sy vita madio tsara.
Ny mampalahelo amin'ity faritra ity anefa dia ny nandripahan'ny mpangalatra ireo jiro boribory nandravaka ny lalana teny an-toerana. Hany ka lasa tsatoka fotsiny sisa no hita mijoro eny.
« Maromaro ihany ireo jiro boribory naripaky ny mpangalatra tety, nongotany hatramin'ireny tariby milevina any ambanin'ny tany ireny », hoy Andrianarisoa Marino Léonard, mpiasan'ny kaominina miambina an'ity toerana ity. Nosoritany anefa fa izay sisa tsy lasan'ny mpangalatra, nisy jiro boribory eo amin'ny 38 eo, dia nahoron'ny kaominina, ary mbola manamboatra izany izy ireo amin'izao fotoana izao.
Ambenana na andro na alina amin'izao fotoana izao iny faritra iny ary izany no nahatrarana an'ireo jiolahy mpanimba ny asa vita.
« Miara-miasa aminay amin'izany ny polisim-pirenena. Jiolahy roa eo izao no efa tratranay, fa ny sasany lasa nandositra », hoy i Marino.
Toerana mana-tantara
Na izany aza anefa, araka ny efa voalaza tery aloha, dia mahasarika olona ny eny amin'ny anjely mainty eny.
« Rehefa mafana ny andro no tena betsaka ny olona mitsidika eny », hoy ity mpiambina ity. Tsy toy ny teo aloha anefa fa andoavana sarany izay foy, ny fidirana eny.
Tsy misy atahorana ny fandriampahalemana amin'ny fandehanana mankeny amin'ny anjely mainty, raha ny fanazavana nomen'i Marino mpiambina. Nosoritany mantsy fa efa nandray fepetra manokana ny amin'izany ny eo anivon'ny kaominin'Antananarivo renivohitra hiarovana ireo mpitsidika an'ity toerana ity.
Toerana izay saika lasa fieren'ny jiolahy tany aloha tany. Nefa anisan'ny toerana mana-tantara eo amin'ny firenena malagasy.
Ny indro kely, ny toeram-pivoahana eo amin'io farihin'Anosy io no mila fanamboarana sy fanadiovana betsaka noho ny fahanterany.





Météo
Beau temps le 15 août
Les amoureux du pique-nique vont être gâtés. Le service de la météorologie d'Ampandrianomby prévoit un temps ensoleillé le vendredi 15 août, jour de l'Assomption. Le ciel sera dégagé à cause de l'affaiblissement du régime d'alizé. Le thermomètre affichera une température maximale de 23 degrés ce jour là.
En attendant, un régime d'alizé va régner au cours des trois prochains jours.




Fanabeazana
Nahazo fanam-piana ny kolejy Rasalama
Boky sy solosaina maromaro no indray natolotry ny fikambanana fifankatiavana Picardié Madagasikara, miorona any Frantsa, ho an'ny kolejy Rasalama eny Andravoahangy, ny zoma teo. Ny filoha mpanampy an'ity fikambanana ity, Andriana Rakotobe Emile no tonga nanolotra izany taty an-toerana tamin'ny talen'ny kolejy, ny pastora Rakotonirina Hubert. Nosoritan'ity farany fa manampy betsaka ireo mpianatra amin'ny fandratovany fahalalana ao amin'ity kolejy ity izao fanomezana nomen'ny fikambanana fifankatiavana Picardié izao.




Ankorondrano
Mpanao hotely voaroaka
Fianakaviana mpanao hotely iray eny Ankorondrano no voaroaka tamin'ny trano niasàny, omaly maraina. Raha ny fanazavan'ny filoha lefitry ny fikambanana « Mpiara-miasa liam-pihavanana » izay mijoro ara-dalàna eo anivon'ny minisiteran'ny Tetibola, ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fikarakarana ny trano, Andrianarivao Olive, izay tonga teny an-toerana niaraka tamin'ny vadintany nentiny nanala ireto mpanao hotely, dia didy mampaka ny trano avy amin'ny minisiteran'ny Tetibola mihitsy no nahatonga ireto nampiasa ny trano noesoriana.
« An'ny minisitera mantsy ny trano ary nomena ny fikambanana hampiasa azy. Ity fianakaviana ity no nampiasa azy nandritra ny telo taona. Tapitra ny fe-potoana nahazoany nampiasa izany ary nanao tolo-barotra tamin'ireo mpikambana indray ny fikambanana amin'izay hampiasa azy manaraka », hoy Olive Andrianarivao. Nosoritany mantsy fa tsy nahazo izany tolo-barotra vaovao izany intsony ity fianakaviana ity.
Mifanohitra amin'izany kosa anefa ny fanazavana nentin'ity fianakaviana nampiasa ny trano. Nanipika Ranaivoson Julien, fa raha ny voarakitry ny fifanarahana ao anatin'ilay fikambanana « mpiara-miasa liam-pivoa-rana », dia tokony ho nampandrenesina mialoha, enim-bolana alohan'ny fiafaran'ny fifanarahana, izay nampiasa ny trano.
Miahiahy
« Tsy nisy anefa izany fa tonga dia nanao tolo-barotra vaovao ireo mpitantana ny volana Jona teo, izay tsy fantatray », hoy izy. Voalaza ihany koa ny tsy fanomezana ny trano ampiasain'ireo olona ivelan'ny fikambanana. Nefa dia nabaribarin'ity raim-pianakaviana ity ihany fa ny mifanohitra amin'izany no nahazo ny trano.
« Araka izany, miahiahy izahay amin'ny fisian'ny resaka ambadika ao anatin'ity raharaha ity. Mangina izahay aloha fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao tarehin-javatra izao », hoy Ranaivoson Julien.
Tamin'ny 8 ora teo no polisy nanatanteraka ny didin'ny minisitera. « Telo andro nialoha an'io no voalaza fa efa nampandrenesina an'izao tarehin-javatra izao ny tompon-trano. Ary dia izao notanterahina izao ny raharaha », hoy ireo mpitandro ny filaminana.





Fihariana
Fikambanana mahavita toaka maivana
Naranty nandritra ny FIER-Mada teny Antanimena ny toaka maivana maro karazana vitan'ny fikambanana Santatra avy any Antsiranana. Ara-dalàna ny fahafahana misotro izany.
Tsy mena-mitaha amin'ny vitan'ireo orinasa goavana nahazo alalana ara-panjakana hamokatra zava-pisotro misy alikaola ny toaka maivana (punch) vitan'ny fikambanana Santatra avy any Antsiranana, izay naranty sy namidy tao amin'ny FIER-Mada tao Antanimena nandritra ny dimy andro. « Maivana dia maivana tokoa izy io ary nokendrena tsy ho be alikaola fa natao ho zakan'ny olona tsara, indrindra fa ny vehivavy. Tsy dia mahamamo firy », hoy i Eva Rasoanandrasana, iray amin'ireo mpikambana sady sekreteran'ny fikambanana Santatra.
Ara-dalàna
Ny fanodinana ireo voankazo sy legioma ary ny ronono ho lasa sakafo ara-pahasalamana amin'ny endriny hafa toy ny kaonfitora, ny habobo, ny fromazy ... no tena asa imasoan'ny fikambanana any Antsiranana, raha ny nanazavany azy. Kanefa dia manao itony toaka maivana itony koa izy ireo. Nosoritany anefa fa isaky ny misy fandraisany anjara amin'ny sehatra sy foara goavana toy itony ihany no hanararaotany hanaovan'izy ireo izany, ho haingon'entana. Fa tsy isan'andro na koa hoe fidiram-bolan'ny fikambanana.
« Ny vokatra vokarinay anefa na izany aza dia tsy maintsy mandalo fitiliana any amin'ny laboratoara hijerena sy handrefesana ny tahan'ny alikaola ao anatiny. Ary ahazoana taratasy fanamarinana mazava tsara avy amin'ny minisiteran'ny Fahasalamana, amin'ny fahafahana misotro azy (tsy toy ny toaka gasy) », hoy ihany i Eva Rasoanandrasana. Ary izany no ahafahan'ny fikambanana nampiranty sy nivarotra izany tao amin'ity foara ben'ny tantsaha ity.
Amin'ny fahaizan'ireo mpikambana ao aminy manodina ny voankazo ho lasa sakafo dia laroin'izy ireo an'ireo ranom-boankazo misy any an-toerana ireo toaka maivana amboariny mba hanome tsiro toy ny coco, « chocolat », lavanila, « cerise », ronono, voasary...
Renim-pianakaviana maro, misy koa ny lehilahy, 16 izy no indray miara-miasa ao anatin'ity fikambanana Santatra ity. Samy nandrato fahalalana avy tao amin'ny foibe Mampitaiza ao Antsiranana avokoa izy ireo no nivondrona anaty fikambanana. Ankoatra ny fampiroboroboana ny fikambanana dia ny hampivoarana ny fiainan'ny ankohonana eo amin'ny fampitomboana ny fidiram-bola ao an-tokantrano no tanjon'izy ireo amin'izany.





Fiompiana
Vidiana lafo ny vilon'omby
Tsy mahasakana ny fitiavana hiompy mihitsy ny fahasarotan'ny fitadiavana ny sakafom-biby. Vidiana 600 ariary ny vilon'omby aty an-drenivohitra.
Henjana ny miompy aty an-drenivohitra raha miohatra amin'ny any ambanivohitra. Vidiana daholo ny sakafom-biby, eny fa na dia vilona ho hanin'ny omby aza. Raha ny fanazavan'i Emmanuel Rakotondra-manana, mpiompy omby vavy beronono, monina eny Ankorondrano Andranomahery, dia vidiana 600 ariary ny vilona iray gony eto an-drenivohitra.
« Omby vavy be ronono efatra, miampy zanak'omby dimy no ompiako. Vilona dimy gony, araka izany, no tsy maintsy ilaiko. Tsy arako ny sakafony dia tsy maintsy manarama olona aho haka vilona ka 600 ariary no vidin'ny vilona iray gony amin'izany », hoy izy. Ny gony amin'izany anefa tsy ireny 50 kilao ireny fa ireny gony kely 25 kilao ireny, raha ny fanazavany.
Sarotra mantsy noho ny tsy fisian'ny tampon-tanety hakana vilona aty an-drenivohitra ny fitadiavana izay hohanin'ny omby. « Lasa lavitra mihitsy, tonga any Anosy sy Anosibe, hatrany Besarety any izahay mitady vilona hohanin'ny omby », hoy ihany i Emmanuel Rakotondramanana.
Ny ririnina no tena henjana
Amin'ny andro fahavaratra dia mba eo ho eo ihany ny fitadiavana izany. Fa amin'izao andro ririnina izao no tena henjana. « Soa fa betsaka aty ny tsinkafona ka io koa manamaivana ny fitadiavana vilona. » Ankoatra ny vilona dia mbola raharaha henjana ihany koa ny rano fisotrony. « Tsy maintsy rano hatsakaina any amin'ny paompy no omena ny omby. Na dia feno tanimbary sy renirano afaka ampisotroana ny omby mantsy ety amin'ny manodidina anay dia tsy mampisotro ny omby amin'ireny mihitsy izahay noho ny loto misy aminy. Fa aleo misahirana toy izay mahita loza », hoy ihany ity raim-pianakaviana ity. Nambarany mantsy fa tsy maintsy ampisotroana rano betsaka ny omby teren-dronono.
Eny Ankorondrano moa no efa nahazatra an'i Emmanuel hatramin'izay, satria teny no nameloman'ny ray aman-dreniny azy. Izay no nahatonga azy nipetraka sy niompy taty an-drenivohitra.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Afa-po ireo atleta. Omaly maraina no tafaverina teto an-tanindrazana ireo atleta 28, nahazo medaly tamin'ireny lalaon'ny Nosy tamin'ny taona 2007 ireny, nentin'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana tany Sina nanatrika ny fanokafana ny lalao Olimpika tany an-toerana. Naneho ny hafaliany izy ireo ary nilaza ho afa-po tamin'ny diany na dia fotoana fohy ihany aza no nitsidihany an'i Sina...
Nangonin'i




Lozam-pifamoivoizana
Iray maty, telo naratra tao Brickaville
Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina, namoizana ain'olona indray tamin'iny lalam-pirenena faharoa iny tao Ambohimangakely tsy lavitra an'i Brickaville, omaly tolakandro tokony ho tamin'ny efatra ora. Mpandeha iray no maty tsy tra-drano tamin'izany ary telo hafa naratra. Ny roa tamin'ireo naratra no tena voa mafy ka voatery nakarina haingana taty an-drenivohitra, fa ny iray no notazonina ao amin'ny hopitalin'i Brickaville.
Fiara kely Renault Clio no nandehanan'ireto olona ireto. Tsy fantatra mazava izay fototra nahatonga ny loza fa nivoaka ny làlana ilay fiara raha hiditra ny tetezana, ka tonga dia nivarina tany anaty hantsana. Hiakatra ho aty an-drenivohitra indrindra izy ireo tamin'io.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Nodorana ny fatin'ilay vazaha. Noraisin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny masoivohon'i Frantsa an-tanana ny fikarakarana ny fatin'ilay vazaha frantsay lahy iray, Patrick Leprette, nisy namono teny Ankadikely Ilafy, ny 7 aogositra teo. Nodorana omaly teny Ankadimbahoaka mantsy ny razana.
Vavy antitra maty tao an-tranony. Ny fokonolona teo amin'ny manodidina no nahita an'ity vavy antitra, 62 taona, nitsitra irery tao an-tranony teny Anosizato, omaly maraina. Mipetra-drery izy. Ny tsy fahitana azy nivezivezy no nahatonga ny manodidina nanokatra ny varavarany.
Maty tsy nisy nahita ilay vehivavy lehibe. Efa mananika ny 72 taona ity renim-pianakaviana maty irery tao an-tranony teny Anosibe, omaly maraina. Ny manodidina ihany koa no nahita ny razana tao an-tranony.
Aparitaka ny ananambo. Zava-maniry manan-karena vitamina ny ananambo izay hita betsaka any amin'ny faritra andrefana sy atsinanan'ny Nosy. Nanambara ary ny ivontoerana nasionaly misahana ny fanjarian-tsakafo fa tokony haparitaka eto Madagasikara izany.
Nangonin'i




Ankadivati II K
Maizin-kitroka ny lalana
Manjaka ny aizina amin'iny faritra manodidina an'Ankadivato II K iny. Tsy misy mirehitra avokoa ny jiro rehetra, na ny eny amin'ny arabe na ny eny amin'ny lalan-kely raha mbola tsy tapitra akory ny alina.
Mirehitra ihany mantsy ny jiro, raha ny fanazavan'ireo mponina eny an-toerana. Saingy rehefa mipaika ny manodidina ny amin'ny 1 ora sy sasany alina, dia efa haizina mikitroka ny hita. Maty avokoa, tsy misy mirehitra ny jiro.
Ny fitadiavana anefa tsy mifidy andro maizina sy alina. Saingy ny alina tsy mba namana satria eo no fotoana fanararaotan'ny jiolahy amin'ny asa ratsiny.
Ny mahavariana ny mponina ao amin'ity faritra ity dia ny firehetan'ny jiro eny amin'ny arabe sy eny amin'ny lalan-kely amin'ny andro antoandro. Raha ny zava-misy omaly fotsiny mantsy no jerena, dia amin'ny 3 ora tolakandro dia efa tapitra mirehitra ny jiro eny amin'ny arabe. Izany hoe mirehitra mazava izy dia maty rehefa any amin'ny roa alina any. Tsy fantatra mihitsy izay mahatonga izany. Koa manaitra ireo tompon'andraikitra ao amin'ny orinasa Jirama izy ireo hijery ity fandehan'ny jiro ao an-toerana ity.




Ankaraobato
Fitaovana lafo vidy lasa lavenona
Tsy an'asa tsy fidiny ireo mpiasa 20 ao amin'ny orinasa mpanao kidoro, Crea-design, eny Ankaraobato. Rotiky ny afo ny fitaovana.
Potika tsy nisy noraisina mihitsy omaly maraina, vokatry ny hain-trano nahazo azy, ny entana sy ny fitaovan'ity ozinina lehibe iray, Crea-design, mpanao kidoro amin'ny vy miaina ary lamba firakotra matevina ao Ankaraobato. Nolevonin'ny afo tanteraka. Raha ny tombatomban'ireo sinoa tompon'ny orinasa dia mitentina 200 tapitrisa ariary ny tetibidin'ny fitaovana simba tamin'izany.
Na ny milina fiasana misy karazany 15, na ny akora aman-taoniny ampiasaina, na ny asa efa vita, hatramin'ny anton-taratarasin'ny tao amin'ny birao sy ny vola, tsy nisy niangana fa dia lasa lavenona daholo.
Novakiana ny rindrina
« Vokatry ny fifandraisan'ny tariby kely mitondra herin'aratra tao amin'ny milina iray mitoto ny vovon-dandihazo hanaovana ireny lamba firakotra matevina ireny no niteraka ny loza », hoy i Feno Raharivelona, tompon'andraikitra ara-barotra ao amin'ny orinasa. « Teny am-pihodinana teny ity milina ity no nirehitra tampoka teo. Tonga dia nandray an'ireo vovon-dandihazo teo aminy ary iny indray no nihitatra ka nandoro ny milina sy ireo entana tao amin'ilay trano », hoy ity mpiasa iray tao anatiny. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra mafy. Tsy misy afa-tsy 20 eo ihany mantsy ny olona miasa ao amin'ity orinasa ity.
Henjana dia henjana, raha ny fanazavan'ny mpamonjy voina ny namono ny afo tao amin'ity orinasa ity. « Tsy misy afa-tsy varavarana iray ihany no miditra ao amin'ilay ozinina. Hany ka tsy maintsy novakiana ny rindrina namonoana ny afo. Tany Ikopa tany amin'ny tetezana ihany koa no nantsaka », hoy ireo mpamonjy voina.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ady niafara tamin'ny fahafatesana. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy iray, Augustin, 33 taona. Nifampitolona tamina tovolahy iray 26 taona tao Antsapaka, izy. Efa voasambotry ny zandary ity lehilahy nifanandrina taminy, ary efa mandeha ny famotorana.
Zazakely maty voadonan'ny fiara. Dimy taona teo ho eo ity zazalahikely namoy ny ainy nodonin'ny fiaran'ny sampan-draharaham-paritry ny fambolena tany an-toerana. Tao Ambodivoahangy, amin'iny faritr'i Sambava iny, ny 12 aogositra tamin'ny 5 ora no nisehoan'ny loza.
Mitsinjo ny mpanjifany i Zain. Nampidinin'ny orinasa Zain ny saram-pifandraisana ao aminy. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ao aminy no anton'izany. Sady tafiditra ao anatin'ny tsenan'ny fifaninanana rahateo.
Nangonin'i




Ihosy
Mpiambina may kila tao an-tranony
Mainty toy ireny saribao ireny sisa ilay lehilahy lehibe mpiambina orinasa iray tao Tanambao Ihosy, ny alin'ny talata hifoha alarobia. Kila forehitra tao an-tranony.
Ny fokonolona teny amin'ny manodidina, nampian'ireo mpitandro ny filaminana tao an-tanàna no tonga namonjy ny loza niseho.
Tsy fantatra mihitsy izay fototra nahatonga ny afo, ka nandoro ny trano nitoerany. Ny manodidina rahateo efa tapi-nandry tsy nahita izay zava-niseho. Fa ny afo efa nijoalajoala nandrakotra ny trano sy nivoaka avy tamin'ny varavaram-be no hitan'ny fokonolona.
Tsy nisy azo natao intsony, araka izany, ny namonjena azy tao an-tranony.




Anosy
Roapolo taona nanetezana volo
Tsy misy asa ambony sy ambany fa ny fitiavana sy ny fanajana azy ihany no antony.
Trano hazo kely mirefy eo amin'ny telo metatra toradroa eo raha misy, rakofana gony plasitika ny rindrina, ary tsy ahitana afa-tsy latabatra ety miankin-drindrina, seza kely roa ary fitaratra kely miampy an'ireo fitaovana fanetezana : « tondeuses » maromaro, hety iray ary fihogo. Izany no toeram-piasan'ireo mpanety eny amin'iny farihin'Anosy iny, avy aty amin'ny ilany avaratra andrefana. Tsotra dia tsotra, nefa manana ny lanjany eo amin'ireo mpiasa ao aminy sy ny mpanjifany.
Iray amin'ireo mpanety miasa amin'izany toerana izany Ramandimbiarisoa Roger, izay nanipika mazava fa 20 taona niasana, nanetezana olona teo amin'io toerana io. « Mbola tovolahy tsy nanambady aho no efa tety. Tamin'izany mbola tery amin'ny sisin-drano tery ampovoany tery », hoy izy tamim-pitsikiana. Mbola ankalamanjana, tsy misy afa-tsy seza kely iray sy latabatra kely tsy ampy 1500 santimetatra tora-droa (50 santimetra ny lavany ary 30 santimetatra ny sakany), no nentiny teny. Ny kitapo kely misy ny fitaovana amin'izany sy ny akanjo kely dia ahantona amin'ny fantsika eo amin'ny vodi-hazo.
Hareza iray isaky ny mpanjifa
40 taona eo ny lehilahy amin'izao fotoana izao, efa nanambady, manan-janaka enina, ary tsy niala fa mbola nanohy an'io asa io ihany hatramin'izao. « Mamboly sy miompy ihany aho (miompy kisoa), fa ity asa fanetezam-bolo ity no tena fotrotr'asako amelomako ny vady aman-janako », hoy izy nanazava fohy ny lalana nodiaviny teo amin'io sehatra io. Efa mianatra avokoa ny zanany dimy ary andoavana saram-pianarana any amin'ny sekoly tsy miankina daholo izy ireo.
Tamin'ny 40 ariary no saram-pihetezana no nanomboka i Roger teo Anosy ary niakatra ho 1000 ka hatramin'ny 1500 ariary izy amin'izao fotoana izao. Ankizy, olon-dehibe, lehilahy, tonga hatramin'ny vehivavy, no nambarany fa tonga mihety eny amin'ireo trano kely fihetezana ireo. « Misy vazaha ihany koa aza tonga ety », hoy ihany i Roger.
Tsotra ny trano sy ny fitaovana enti-miasa, fa tsy arakaraka izay ny fahadiovana sy fitandroana ny fahasalamana. « Mitandro izany mandrakariva izahay. Ny hareza dia iray isaky ny olona. Miara-miasa amin'ny orinasa mpamokatra hareza izahay. Eo koa ny CSB II eny Isotry ny PSI Madagasikara amin'ny fiarovana ny aretina Sida. Tena tsy tiako mihitsy ny loto satria na ny manodidina anay aza hitanao fa madio tsara », hoy izy.





Escroquerie
Grivèlerie
Venu faire du tourisme dans la capitale, un ressortissant français a été auditionné au parquet du tribunal Anosy, samedi. Il est poursuivi pour avoir filouté un grand hôtel à Analakely.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Olona 97 nampidirina «violon». Nanao hetsika manokana amin'ny fanaraha-maso ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra ny polisy, ny faran'ny herinandro teo. Noraofina tamin' izany izay olona tsy nanana karatra sy tsy ara-dalàna rehetra, mpanera 63, mpivaro-tena 26 ary olon-tsotra 8.
Hihenjana ny polisy. Handray fepetra manomboka izao ny polisy amin'ny tsy fanajana ny lalàn'ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Anisan'ireny ny taxi-be izay nosoritan'ireo mpitandro ny filaminana fa mandeha mafy sy mifanenjika matetika.
Vita tsara ny lalam-pirenena faha-44. Efa tsy mandreraka intsony ny mandeha amin'iny lalam-pirenena faha-44 iny amin'izao fotoana izao. Vita tsara mantsy ny lalana, tsy misy lavadavaka intsony, na dia tsy voarakotra tara aza.
Nangonin'i




Ampandrana
Teknisiana 21 nahavita fianarana
Teknisiana ambony vaovao miisa 21, andiany Milofo sy Santatra, no indray navoakan'ny ivon-toerana ambony momba ny tontolon'ny elektronika sy ny informatika na ny ISGEI eny Ampandrana, ny alatsinainy 11 aogositra lasa teo. Araka izay anarana isaloran'ny sekoly niofanan'izy ireo izay dia ny tontolon'ny elektronika sy ny informatika amin'ny antsipirihany no norantovin'ireto mpianatra ireto tao amin'ny sekoly.
Nandritra ny roa taona no niatrehan'izy ireo ny fifehezana izany ary nofaranana tamin'ny fiatrehana fiofanana tany anivon'ny orinasa sy ny fanehoana ny voka-pikarohana izany.
Ramiarijafy Rodolphe sy Randrianarivelo Parfait avy ao amin'ny departemantan'ny fiofanana ara-teknika sy ny arak'asa no tonga nanatrika ny lanonana famoahana ireto mpianatra ireto, nisolo tena ny minisitra lefitra misahana ny Fampianarana ambony, Teknika ary ny Asa.




Antohomadinika
Sahirana ny mpandeha fiara mpitatitra
Maloto dia maloto tokoa raha iny faritra misy ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra mankany amin'ny faritr'Alaotra Mangoro iny. Ny fisian'ny vovoka eo an-toerana aloha dia efa olana iray lehibe. Kanefa mbola ambonin'izany ny tsy fisian'ny toeram-pivoahana ho an'ireo mpandeha.
«Any Isotry izahay no mandeha raha poritra fa tsy misy lava-piringa eto an-toerana», hoy ity raim-pianakaviana iray, mpivaro- mandeha mivezivezy eo Antohomadinika eo. Nosoritany fa raha tsy fahaporetana goavana tsy tonga mamonjy lava-piringa any Isotry ny mpandeha fa dia eo an-toerana eo ihany, mamonjy vodi-rindrina sy toerana somary takontakona.
«Ny lehilahy no tena mpanao an'io. Na dia ao ambadiky ny fiara ao aza izy dia efa mahavita ny ataony», hoy kosa indray ity mpandeha iray. Ny ankizy moa dia tsy lazaina intsony.
«Raha tsy miditra hotely dia tsy mahita toeram-pivoahana eto akaiky eto», hoy kosa indray ity renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany madinika handeha hamonjy an'Ambatondrazaka.




Fomban-drazana
Ilaharana ny famoran-jaza ao Tanambe
Efa manomboka manatona mpitsabo ny ray aman-dreny rehefa hamora ny zanany any amin'ny faritr'Ambatondrazaka. 20 mahery no vita fora isan'andro.
Zaza manodidina ny 20 ka hatramin' ny 30 isan'andro eo no zaza forain' ny Toby fitsaboana Onenantsoa, tantanan'ny dokotera Roger Randrianarison, ao Tanambe any amin'iny faritr' Ambatondrazaka iny. Fotoanan'ny ririnina, fanaovana famoron-jaza mantsy izao ka maro ireo ray aman-dreny no mitondra ny zanany hokarakaraina amin'izany.
Tsy ny avy eo an-tanàna ihany, raha ny fanazavan'i Dr Roger, no tonga mitondra ny zanany hoforaina ao aminy fa ireo olona avy any amin'ny tanàna sy kaominina lavitra ihany koa, toy ny kaominin'i Beanana, Ambodimanga, Imerimandroso, Ambohitsilaozana ...
«Misy rain-jaza sy dokotera mpitsabo any fa aty no mahazatra anay», hoy Ratsimandresy Edmond, raim-pianakaviana iray nitondra ny zanany noforaina tao amin'ity toby Onenantsoa ity. Avy any Ambatoharanana, kaominin'Ambohijanahary, 14 km avy ao Tanambe, izy no niainga hamonjy an'ity mpitsabo ity.
«Ny zavatra nataoko voalohany raha vao vita ny fianarako, ny taona 1990, ka tonga teto Tanambe aho dia ny hitarika ny olona amin'ny tsaratsara kokoa. Anisan'izany ny fialàn'ny olona amin'ny fanatonana rain-jaza rehefa hanao didim-poitra. Eo ihany koa ny fanatonana mpimasy rehefa misy marary. Dia noezahina, araka izany, ny saran'ny fitsaboana mba ho zakan'ny olona aty ambanivohitra satria io ihany koa no sakana iray tsy hanatonan'izy ireo mpitsabo. Dia izay no naharesy lahatra ny mponina ka nahatonga azy ireo hanatona toeram-pitsaboana rehefa hamora zaza sy haka fanafody», hoy ity mpitsabo ity.
Mila fifanohanana
Ankoatra ny famoran-jaza dia mampiteraka ihany koa ary manao ny asa fandidiana madinika ingahy Roger Randrianarison. Misy fotoana mandeha midina any ambanivohitra mihitsy izy mamora zaza. Manao didim-poitra faobe. Ary dia zaza eo amin'ny 200 eo no vita fora amin'izany satria manomboka amin'ny 5 ora hariva no manomboka ka tsy mijanona raha tsy amin'ny 5 ora maraina.
Nambaran'ity mpitsabo ity fa efa mihamivoatra ny mponina any amin'iny faritr' Ambatondrazaka iny amin' izao fotoana izao amin'ny fanatonana mpitsabo. «Ny faniriako dia ny mba hisian'ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny mpitsabo any ambanivohitra», hoy izy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Biriky niparitaka tamin' ny arabe. Nilatsaka teny ambony sarety nitondrana azy, omaly tolakandro teo Ankorondrano, ny biriky vitsivitsy. Telolahy no nitondra an'ilay sarety, ny iray nitarika, ny roalahy nanosika avy ato aoriana. Ny biriky tsy tapaka ihany no noraofina nentin'ireo mpanosika fa ny tapaka navelany teo afovoan'arabe. Ary dia nibahan-dalana teo, raha tsy nisy kamiao nanosy azy.
Iray maty, enina naratra nofaohin'ny fiara. Olona fito no indray voadona sy nofaohina minibus teo amin'ny Boulevard de l'Europe, omaly maraina tokony ho tamin'ny 6 ora. Mpitaingina bisikileta ny iray izay maty tsy tra-drano. Mpandeha hafa kosa ny enina ka zazakely vao sivy volana ny iray. Niaka-tsisin-dalana ilay fiara no nahatonga ny loza.
Teratany maorisiana hiakatra fitsarana. Amin'ny 29 aogositra ho avy izao no hiakatra fitsarana ilay teratany maorisiana lahy voarohirohy ho nanao herisetra tamina polisy vavy bevohoka teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato.
Nangonin'i




Faritra atsimo
Tohanana ara-tsakafo ny mpianatra
Hetsika hafakely no ataon' ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ireo mpianatra any amin'iny faritra atsimon'ny Nosy iny mandritra ity taom-pianarana 2008-2009 ity. Hotohanan'izy ireo ara-tsakafo avokoa mantsy ireo mpianatra madinika amin'iny faritra iny. Ny PAM na ny Fandaharan'asa iraisam-pirenena momba ny sakafo no hiaraka hanatanteraka amin'izy ireo izany. Ary dia nosoniavina, omaly teny Anosy tao amin'ny minisiteran' ny Fanabeazam-pirenena ny fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izany.
Mpianatra madinika eo amin'ny 92 000, ao anatin'ny sekoly 611 manerana ny Cisco dimy misy amin'iny faritra iny no ho voakasik'ity fanampiana ara-tsakafo ity. Vola mitentina hatrany amin'ny 5 850 000 000 ariary no ho laniana amin'izany.
Vary, legioma ary menaka izay nokendrena indrindra mba ho sakafo mampatanjaka, araka ny fanazavana nomen' ny tompon'andraikitry ny fandaharan'asa «Cantine scolaire», Nicolas Babu, eo anivon'ny PAM no akora hanomanana ny sakafo. Mahatratra hatrany amin'ny 2 219 taonina moa ny fatran' izany sakafo izany mandritra ny taom-pianarana.
«Ny tanjona amin'izao hetsika izao dia ny hampitomboana ny tahan'ny fidiran' ny ankizy any an-tsekoly», hoy Ralambomanana Stangéline, minisitry ny Fanabeazam-pirenena.




Mahitsy
Skoto notafihin'ny dahalo
Semban-drahona ny lasy nataon'ireo skoto zazavavy avy ao amin'ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina tany Sarobaratra Mahitsy, ny alahady 10 aogositra teo. Notafihin'ny dahalo tany an-toerana mantsy izy ireo ka lasany tamin'izany ny vary tapa-gony sy ny laoka iray gony, toy ny voamaina, ovy, karaoty, patsa... izay atao sakafo mandritra ny lasy.
Dahalo sivy lahy, raha ny fanazavan'ireo niharam-boina, no indray nanafika azy ireo tamin'izany. Tsy nitondra basy fa kobay ary nandranty izany tamin'ireo mpilasy.
Trano lay no natorian'ireto skoto zazavavy tamin'izany ary dia novohainy mora foana. Niantso vonjy tamin'ny fokonolona teo amin'ny manodidina moa ireo ankizy nony avy eo, nampandrenesina ny zandary, ka fantatra izao fa roalahy no voasambotra. Tsy avy aiza ireo dahalo ireo fa olona avy tao an-tanàna ihany.




Anjanahary
Polisy voarohirohy ho namono olona
Fantatra izao, araka ny vaovao nampitain'ny sampan-draharahan'ny fifandraisana teo anivon'ny polisim-pirenena, nosoniavin'ny lehibeny, ny kaomisera Razakasoa Kackot, fa polisy no voarohirohy ho namono an'i Prisca Lantoniaina Rakotondrabe. Ity zazavavy kely ity moa ilay naolana sy novonoina ary nariana teny amin'ny fasam-bahiny teny Anjanahary, ka hita teny ny alahady maraina teo.
Ny fanadihadiana nataon' ny polisy teny amin'ny manodidina izay nanondro ny fahitana an'ity polisy ity ho nitondra enta-mavesatra nivoaka ny tananany, ny harivan'ny zoma 14 aogositra 2008 teo, sy ny fisian'ilay fitafiam-behivavy norovitina hita tao an-tranony izay mitovy tsy misy hafa tamin'ilay lamba namonosana ny fatin'ilay zaza teny an-toerana no voalazan'ny polisy, araka ilay vaovao nampitaina ihany, fa porofo mivaingana nahafahana nitazona an'ity lehilahy ity.
Na teo aza anefa izany rehetra izany dia tsy niaiky fa nandà hatramin'ny farany ny zavatra mahavoarohirohy azy ity noampangaina. Voalaza moa fa raikelin'ilay zaza ity polisy voarohirohy ity. Nosamborina ary tazonina ao amin'ny sampan-draharahan'ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava izy amin'izao fotoana izao, anaovana famotorana.
Ho hita eo ny fivoaran'ny raharaha satria tsy ho ela dia atolotra ny Fitsarana ny lehilahy.




Fivelomana
Miady amin'ny fiainana ny ankizy
Raha mandeha mitady vola hamelomana ny ankohonany ny ray aman-dreny dia mba mihetsiketsika mitady izay hahasoa azy ihany koa ny ankizy. Mitady vola, sitrany ahay hividianana mofo, dia anampiana ny ray aman-dreniny ihany koa.
Ankizilahikely telo eo amin'ny enina sy valo taona eo, Sitraka, Landry ary Solofo, afak'omaly teny Ankorondrano no nifanome tanana nilanja vy kely iray gony.
Hamidy ny vy
Gony kely mahazaka eo amin'ny folo kilao eo no nentin'izy telolahy ary niretareta ery i Solofo nilanja azy. « Rehefa tonga ery amin'ny fiara kely ery dia anjaran'ialahy indray», hoy i Solofo tamin'i Sitraka, sady mila toy ny hianjera niantsoroka an'ilay vy kely nohazain'izy telolahy. «Eny e ! hoy i Sitraka namaly azy. Mbola hitady ery amin'ny fanariam-pako ery aloha isika vao mody», hoy izy mbola nanampy.
I Landry no kely, zandriny indrindra, tamin'izy telolahy ka tsy nifanjanan'ireto zokiny amin'ny fitondrana an'ilay vy. Nanaraka fotsiny an'izy roalahy izy. Vy lavalava kely, eo amin'ny 60 santimetra eo no mba entiny. Izany hoe tsy misy very mihitsy izay vy hitan'izy telolahy fa raofiny daholo.
Raha ny nambaran'izy ireo dia hamidiny ireto vy nokarohiny ireto. «Entinay hamidy eny Ankorondrano ireto vy ireto», hoy izy telolahy. «200 ariary ny kilao. Hividiananay mofo dia omenay an'i mamanay ny vola rehefa avy eo», hoy izy telolahy nifandrombaka niteny. Nambaran'izy ireo fa eny rehetra eny izy ireo no mandehandeha mitady izany vy izany.
Mpianatra ao amin'ny EPP Ankorondrano izy ireo. I Sitraka sy i Solofo ao amin'ny taona fahefatra, fa i Landry no ao amin'ny taona faharoa. Vakansy ny andro dia mba «mikarataka» kely mitady vola ny ankizy !





Fampianarana
Mety ampiharina ny teny gasy
Misy dia misy ny sekoly no vonona ny hampihatra amin'ny teny malagasy. Iray amin'ireny ny kolejy Kiady eny Sabotsy Namehana.
Azo ampitana fahalalana tsara ny teny malagasy». Fanazavana nentin'ny talen'ny kolejy Kiady eny Sabotsy Namehana andrefan-tsena, Andria-Noel Rodin, izany raha naneho ny heviny mikasika ilay rafitra vaovao napetraky ny Fanjakana amin'ny hametrahana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra izy.
Nosoritany mantsy fa na dia tsy mbola nametraka io rafitra io aza ny fanjakana dia efa nanao izany tamin'ny fampitan-desona ho an'ny mpianatra ao aminy izy, miaraka amin'ireo mpampianatra feheziny. Tsy vaovao amin'ity kolejy ity, araka izany, ny fampianarana atao amin'ny teny malagasy.
Tsy nitsaha-nisonga
«Samy manana ny fahakingan-tsainy mantsy ny ankizy. Misy ny votsavotsa, ka eo no tsy maintsy hamadihan'ny mpampianatra ny fanazavana amin'ny fiteny malagasy. Dia azony tsara ny lesona amin'izay», hoy ity talen-tsekoly ity. Notsindriany mazava tsara fa sekoly mampiasa teny frantsay ny sekoly Kiady tarihiny. Izany hoe ny lesona rehetra dia amin'ny teny frantsay avokoa.
Fa ny fanazavana no ampiana tosika amin'ny tenin-drazantsika raha misy ny sahirana. Ny fampianarana ny teny malagasy rahateo, raha ny fanazavana nomen'ity talen-tsekoly ity ihany, tsy nataon'izy ireo ambanin-javatra fa narahina an-tsakany sy andavany, araka ny fandaharam-pampianarana nomen'ny Fanjakana.
Telo taona izay no nijoroan'ity sekoly ity, ary izay teknika izay foana no voalaza fa nentiny nampita ny fahalalana ho an'ireo mpianatra tao aminy. Ny voka-panadinana anefa dia azo lazaina fa nahafa-po tsara satria tsy nitsaha-nisonga hatrany, indrindra fa teo amin'ny fanadinana CEPE izay nanomboka tany amin'ny 86 % ka hatrany amin'ny 100 %. «Ny mpampianatra ihany no mahita izay fomba hanatanterahany izany. Fa tsy vaovao aminay io satria efa niainanay», hoy Andria-Noel Rodin.
Iray volana latsaka eo mantsy sisa dia hanomboka hiditra an-tsekoly indray, hiatrika ny taom-pianarana 2008-2009, ny mpianatra.





Intégration régionale
Les douaniers apprennent leurs règles
Les règles d'origine jouent un rôle important dans le cadre d'une intégration régionale. Seuls les produits provenant des pays membres et qui les satisfont bénéficient d'une détaxation et des tarifs préférentiels. Les agents douaniers qui sont les principaux acteurs dans les vérifications des produits exportés et importés doivent maîtriser ces règles d'origine.
En vue du renforcement de leur capacité, un atelier de formation est organisé du 19 au 21 août à l'endroit des douaniers malgaches avec l'appui de l'United States Agency for Interna-tional Development (USAID). « Les techniciens amélioreront ainsi leur compréhension des règles d'origine » déclare Dovie Holland, attachée de l'ambassade des Etats-Unis.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Trano an-jatony levon'ny afo. Tanàna iray manontolo ahitana tafo miisa 116 no indray nolevonin'ny afo tanteraka tao Anosimparihy, fokontany Ambodimanga II, kaominina ambanivohitra Saravinany, ny 16 aogositra teo. Afo avy tamin'ny fanamainana vily (trondro kely) tao amin'ny tokantrano iray no voalaza fa nahatonga ny loza. Olona 291, no indray tsy manan-kialofana. Soa fa tsy nisy aina nafoy.
Taolam-paty sarona. Taolan-dava miisa 181 tao anaty gony telo no indray tratran'ny zandary avy any Mandritsara, ny herinandro teo. Telo mianadahy no sarona tamin'izany. Fasan'olona avy ao Ankasina amin'iny faritr'i Mandritsara iny, ny volana jona lasa teo, no novakian'ireto olona ireto. Izy roa lahy no mpamaky fasana fa ilay vehivavy kosa mitady mpividy. Efa notanana am-ponja vonjimaika moa izy telo mianadahy ireto.
Lehilahy nazeran'ny moto. Naratra ilay lehilahy nazeran'ny moto teny Analakely, omaly alina. Tsy fantatra izay nahazo azy teo am-pitondrana an'ilay moto, fa tonga dia nianjera ity farany, ary nisosa teny amin'ny arabe izy. Ny ila tarehiny no voa mafy. Efa nahazo fitsaboana maika tao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa izy.
Nangonin'i




Antaninarenina
Jiolahy nangalatra tao amin'ny banky
Fahasahiana tsy nisy toa izany ny an'ity jiolahy iray niditra tao amin'ny banky iray teny Antaninarenina, omaly antoandro teo anelan'ny tamin'ny iray ora ka hatramin'ny iray ora sy sasany antoandro.
Toy ireny mpanjifa rehetra ireny ingahirainy niditra ny banky. Tsy nijanona teo amin'ny toerana malalaka azon'ny mpanjifa ijoroana ny anao lahy tamin'izay, fa nisosososo niditra tany anatiny tany mihitsy, tany amin'ny biraon'ny mpiasa.
Nangina avokoa anefa ny birao tao an-toerana satria nifanandrify indrindra tamin' ny fotoana nisakafoanan' izy ireo. Dia nanararaotra an'izay ny anao lahy, nitsaika izay zavatra hitany tao.
Sakaosy kely fitondra an-tanana iray no hitany tao amin'ilay birao nidirany ka nofaohiny. Dia iny izy no lasa.
Soa fa nisy nahatsikaritra ny fihetsiny tao amin'ilay birao, ka raikitra ny fanenjehana. Efa teny Amparibe teny akaikin'ny kolejy Masindahy Misely tany ny anao lahy vao tratra. Mbola tratra teny aminy ilay sakaosy kely sy ny valopy nisy vola 300 000 ariary mahery tao anatiny.




Alaotra
Entina hitateran'entana ny «kubota»
Mahavita asa betsaka ny «kubota». Sady ampiasaina amin'ny asa fambolena izy no azo hitanterana entana ihany koa.
Anisan'ny fitaovana sarobidy ampiasain'ireo tantsaha mpamboly vary any amin'iny faritr'Alaotra iny ny «kubota». Asa maro no vitany raha eo amin'izay fikarakarana tanimbary izay manomboka any amin'ny fiasana ny tanimbary, fifakoana ahitra, fijinjana vary ka hatrany amin'ny fitotoana vary.
Miasa be, araka izany, amin'ireo tantsaha any an-toerana ity fitaovana iray ity raha eo amin'izay sehatry ny fambolena izay no resahina.
Kanefa tsy izay ihany no zava-bitany sy azo ampiasana azy fa ampiasan'ny tantsaha ihany koa izy ho fitaovam-pitaterana rehefa amin'ny fotoana tsy fikarakarana tanimbary. Toy ny fitateran'entana mavesatra, saribao, kitay ...
«Antsoin'ny olona izahay hitatitra ny entany dia tonga», hoy i Réné, tovolahy nitondra «kubota» iray tao Tanambe. Nambarany mantsy fa tsy mba misy an'ireny fiara lehibe mahazaka entana ireny firy any amin'iny faritra iny, ka ny «kubota» no ampiasain'ny olona sy hindraminy (karamainy) hitondra izany. «Mandeha amin'ny gazoala izy ka tsy dia mandany firy», hoy ihany izy nanazava.
Hitaterana olona
Mbola azo hitateran'olona ihany koa izy. «Ireny olona avy any ambanivohitra lavitra any, hamonjy ny renivohitry ny kaominina no tena mila azy ity», hoy ihany ity tovolahy ity. Na ny marary sy ny vehivavy hiteraka aza mantsy dia nosoritany fa entina amin'izany «kubota» izany ihany koa mba hamonjy dokotera na hamonjy hopitaly. Ary dia arakaraka ny havesatry ny entana sy ny halaviran'ny lalana no sarany. Manomboka eo amin'ny 2000 ariary ka hatrany amin'ny 3000 ariary.
Raha ny fanazavana nomen'ireo manam-pahefana tany an-toerana dia manana taratasy ara-dalàna ireny «kubota» ireny. Manana «vignette» toy ny bisikileta izy, ahafahany mivezivezy eny amin'ny arabe. Ny olona mitondra azy ihany koa manana taratasy fanamarinana amin'ny fahafahany mitondra izany.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpitsara roa napetraka tamin'ny toerany. Razanamahenina Marie Louise Tiana sy Rakotomalala Mamy Njato, no indray napetraka tamin'ny toerany maha mpanolotsaina eo anivon'ny Fitsarana ambony azy, omaly tolakandro.
Vehivavy nahatrarana rongony. Fonosan-drongony miisa 90 sy voronany iray kilao no indray saron'ny polisy tao an-tranon'ity vehivavy lehibe iray teny Anosizato, omaly maraina. Mpivarotra rongony ravehivavy ary ao an-tranony ihany izy no manao izany, mampiditra ireo tovolahy mila izany
Nangonin'i




Vonoan'olona
Polisy niatrika ny fampanoavana omaly
Nalaza tampoka tamin'ny raharaha « ratsy » ilay polisy voalaza fa tompon'antoka tamin'ny fametavetana sy famonoana an'ilay ankizivavy kely antsoina hoe Prisca, hita faty teny Anjanahary, ny alahady teo. Samy nihazakazaka nitangorona nijery azy avokoa mantsy ireo olona nanan-draharaha tao amin'ny Fitsarana. Ary na ireo mpiasan'ny Fitsarana aza, ny mpitsara, ny mpisolo vava, ny mpiandraiki-draharaha..., tsy nahapetraka tany amin'ny biraony fa nivoaka, nijery azy ihany koa. Omaly tolakandro mantsy izy no natolotra ny Fampanoavana tao Anosy. Saika feno olona, araka izany, ny lalan-tsaran'ny Fampanoavana.
Akanjo maivana fitondra amin'ny fanatanjahantena, miloko manga antitra misy mitsipika fotsy eo amin'ny halavan'ny tanany sy ny patalohany, no nanaovan'ilay polisy, niaraka tamin'ny kiraro Adidas fotsy. Nisy akanjo matevina, nisy satroka fanaronana loha tao anatin'io fitafiany io. Ary niezaka nanafina ny endriny tamin'ilay satroka izy rehefa vory ny olona nijery. Saingy tsy nahasakana ny olona tia sy te-hahafantatra ny zava-misy, hijery azy izany.
Tamin'ny efatra latsaka fahefany hariva teo izy no nivoaka ny biraon'ny polisy tao Anosy, nofatorana rojo vy, hamonjy ny biraon'ny Fampanoavana. Mbola niandriandry kely teo an-dalantsara aloha ary tamin'ny 4 ora sy folo minitra no niditra ny biraon'ny mpitsara.
Teo vao noesoriny, raha nigadona ny varavaran'ny mpitsara izy, ilay satroka nanaronany ny lohany. Sady nanala an'iny izy no nanao jery atrika ny mpitsara, satria tsy maintsy ataony izay amin'ny maha polisy azy. Mbola ahiahy ihany mantsy hatramin'izao ny raharaha mahavoatana azy, na dia eo aza ireo porofo nivaingana hitan'ny polisy tao an-tranony. Vetivety ihany izy no tao dia niakatra tany amin'ny zokiolona amin'ny mpitsara mpanao famotorana indray. Tao no namoaka didy, nampandefa azy ho eny amin'ny fonjan'Antanimora hohazonina.
Mbola izy irery moa no niatrika ny famotorana, omaly, satria ny ankilany, ny renin'ilay zaza maty izay mpitory, mbola nandevina ny zanany .Tonga nanotrona an'ity polisy ity, nankahery sy naneho fitiavana azy, ny tena vadiny, niaraka tamin'ny anabaviny sy ny fianakaviany.





Isotry
Efa-dahy naka taribin'ny Jirama
Notanan'ny mpitsara mpanao famotorana am-ponja avokoa, omaly, ireo efa-dahy tratry ny polisy nangalatra taribin'ny Jirama. Taribin-jiro efa manodidina ny 65 kilao no indray hita teny amin'izy efa-dahy ireto.
Teny Isotry avokoa izy ireo no sarona, ny alatsinainy teo. Samy natao sarona an-trano, ary dia samy nahatrarana taribin-jiro daholo.
Voalaza fa efa nitadiavany mpividy ireto taribin-jiro ireto. Ka tamin'izay no nivoahan'ny vaovao momba azy ireo. Ary dia tafapaka tany anivon'ny polisy. Noraisim-potsiny sisa izy efa-dahy.
Toerana maro samihafa no voalaza fa nakàn'izy ireo izany taribin-jiro izany. Nilatsaka ho mpitory tamin'ity raharaha ity, mazava loatra, ny orinasa Jirama.




Fankalazana
Feno 200 taona Tsarahonenana
Hanamarika ny faha-200 taona niorenany ny tanànan'i Tsarahonenana ao amin'ny faritr'Ambatondrazaka. Tanàna nanana ny maha izy azy, tamin'ny andron-dRadama I.
Feno 200 taona amin'ny taona 2010 ny tanànan'i Tsarahonenana, ao anatin'ny kaominin'Imerimandroso, ao amin'ny faritr'Alaotra Mangoro. Na dia mbola misy roa taona aza izany vao higadona, dia efa miomana amin'ny fankalazana izany ireo taranaka monina ao amin'ity tanàna ity. Amin'ny taona ho avy, 2009, ity mantsy, araka ny fanazavan'ny Tangalamena ao an-toerana, Rinah Armand, no hanomboka ny fanamarihan'izy ireo izany tsingerin-taona lehibe izany. Hitohy izany mandritra ny taona 2010.
Ny mpanjaka Radama I, tamin'ny taona 1810 nanjakany, no nanorina ny tanànan'i Tsarahonenana, araka ity Tangalamena ity. Tonga nampandry tany, tany amin'iny faritr'Alaotra iny izy tamin'izany fotoana izany. Nandalo tao Tsarahonenana ka nanorim-ponenana tao.
Nanorim-ponenana
« Lembalemba, marimarina mantsy eto ka tsara nanorenan-tanàna. Napetrany teto ny governorany sy komandy mpitari-tafiny, niaraka tamin'ireo miaramila
nentiny », hoy ihany ity Tangalamenan'i Tsarahonenana ity.
Olona avy tany Antananarivo avokoa izy ireo no nalefany tao. Nanorina fantsakana izy, nanorina kianja fanaovam-baolina izay antsoina hoe Kianja Radama I. « Mbola mitoetra ao Tsarahonenana amin'izao fotoana izao, ampiasain'ireo tanora ao an-toerana, ity kianja fanaovam-baolina ity. Ary dia mbola izay anarany izay ihany no hiantsoana azy hatramin'izao », hoy Ramah Ravalitera, zanak'ity tanàna ity.
I Tsarahonenana no nataon-dRadama renivohitry ny faritra tamin'izany, fa nony tonga ny vazaha frantsay vao nafindra teny Imerimandroso. Tànàna manana ny maha izy azy, araka izany, i Tsarahonenana. Ankoatra ireo voatanisa ireo, dia ao aminy ihany koa no misy an'ilay tendrombohitra avo indrindra any amin'iny faritra am-pita atsinanana iny, dia ny hantsan'i Kalohana. Mbola misy mijoro ao koa ny tamboho roa sosona izay namefy ny tanànan'ny governora tamin'izany fotoana izany (tanànan'Ambalaloty). Eo koa ny fisian'ny fetin'ny taranaka amin'ireo fiangonana roa ao an-toerana, protestanta sy katolika, izay marihina miaraka. « Taranaka iray mantsy ny zanak'ireo fiangonana ireo, satria rehefa tonga ny nanangana ny finoana katolika teto, dia nozaraina roa ny olona namelona io fiangonana io, ka izay no hanamarihana azy miaraka », hoy Rinah Armand Tangalamena.
Hetsika maro, araka izany, no entin'ireo taranak'i Tsarahonenana hanamarihana izany fotoan-dehibe izany amin'io taona ho avy io.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Jiolahy iray maty voatifitra. Nandritra ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana ireo telolahy voalaza fa nanafika orinasa mpanao trano iray tao Antsiranana, ny 17 aogositra teo, no nahavoatifitra ka nahafaty tovolahy iray. Ny roalahy kosa azo sambo-belona. Nilaza anefa ny fianakavian'ity voatifitra fa tsy jiolahy ny havany, ary dia nampiakatra ny raharaha ihany koa izy ireo.
Fongana ny entan'ilay mpivaro-mandeha. Entam-barotra mitentina valo tapitrisa Ariary natobin'ity mpivaro-mandeha iray tao amin'ny trano nohofainy teny Mahamasina no fongana tsy nisy tavela. Trano babangoana, araka izany, no novantaniny tao nony tonga haka ny entana izy. Ny tompon'ilay trano nohofainy no nahiahiany ho naka ny entana ary dia nosamborina. Natolotra ny Fampanoavana omaly ny raharaha.
Nangonin'i




Antsiranana
Bala-na MITAA hita tany anaty fako
Bala-na fitaovam-piadiana mahery vaika iray, MITAA (mitrailleuse anti-aérienne), no hita tany anaty fanariam-pako tany tao amin'ny Cité ouvrière, tao antsinanan'ny CEG Antsiranana I, afak'omaly maraina. Ankizy nilalao sendra nitady zavatra tao anaty fanariam-pako no voalaza fa nahita azy. Nentiny nody izany ary ny ray aman-dreniny no nahafantatra azy hoe bala, ka nentiny tany amin'ny mpitandro ny filaminana.
Araka ny efa voalaza tery aloha dia anisan'ny fitaovam-piadiana tena mahery vaika ity bala ity. Fitifirana fiaramanidina no fampiasàna azy io, ary mahatratra kilometra maro izy rehefa alefa. Matanjaka be, araka izany, ity bala ity ary mahavita mandoaka rindrina béton. Ny fiara moa dia rava tanteraka raha voany, raha ny fanazavan'ity manamboninahitra iray. Eny amin'ny seranana no nambarany fa itehirizana azy itony hiarovana ny sisin-tany sy ny fiaramanidina.
Fitaovana manokana antsoina hoe tracté, ahitana vavany efatra, ary taritina fiara no fanapoahana azy.
Nambaran'ity manamboninahitra ity fa mbola mety ho isan'ireny fitaovam-piadiana niparitaka tamin'ny andron'ny 2002 ity bala ity. « Nisy tamin'ireny fitaovam-piadiana ireny tany am-pelatanan'ireo miaramila mpioko », hoy izy.
Na izany na tsy izany dia efa manao ny fanadihadiany ny tompon'andraikitry ny filaminam-bahoaka any an-toerana amin'izao fotoana izao.




Anjozorobe
Efa-mianaka voaheloka
Nipitrapitra fotsiny, hita ho tsy afa-nanoatra ireto efa-mianaka, ny rainy sy ny zanany telo mirahalahy, avy any Anjozorobe, teo anoloan'ny Fitsarana heloka bevava, raha nandre ny didy manameloka azy. Didy fanaovana asa an-terivozona, miampy fandoavana onitra mitentina efatra tapitrisa Ariary, ho an'ny mpangatak'onitra. Ny an'ny rainy sy ilay zanany faralahy, dimy taona asa an-terivozona no azony. Fa ny an'ilay lahimatoa sy ilay lahiaivo kosa folo taona asa an-terivozona.
Vonoan'olona no niampangana azy efa-mianaka ireto. Tao amin'ny fokontanin'Andrebakely, kaominin'Ambohibary ao anatin'ny distrik'Anjozorobe, ny 22 oktobra 2007, no nitrangan'ny raharaha. Raim-pianakaviana iray no novonoin'izy ireo tamin'izany, nokapakapainy ny famaky, raha ny voarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady novakiana teo amin'ny fitsarana.
Ny mpitory, ny vady sy ny fianakavian'ity niharam-boina, nilaza fa nitambaran'izy ireo novonoina ny havany. Izy efa-mianaka kosa nanambara fa fiarovan-tena ihany ny azy satria famaky nentin'ity maty saika hamonoana azy ireo no nafotony tany amin'ilay maty. Ilay rain'izy telolahy moa no voalaza fa notetehin'ity nitondra ny famaky hovonoina ary niaro azy izy telolahy tamin'io.
Tsy nisy nanotrona na dia fianakaviana iray aza izy efa-mianaka fa onjokonjon'izy ireo irery. Lavitra be rahateo ny any aminy ka tsy afaka ny ankohonana.




Anosibe
Misy manimba ny sisin-dalana
Very tsikelikely ireo vato natao sisin-dalana amin'ny lalan'Anosibe. Faritra maromaro no ahitana izany.
Efa tsy rariny intsony raha ny fanimban-javatra ataon'ny olona amin'ny zava-bita eny an-dalana. Ny eny amin'ny faritra Anosibe, amin'iny lalam-baovao ohatra dia mila ho ripaka mihitsy ny sisin-dalana, satria misy manongotra ireo vato narafitra teny.
Tena fanahiniana mihitsy ilay izy satria tsy potika na toro toy ny hoe niharan'ny donan-javatra mafy, fa tena miongotra tsirairay manaraka ny nandrafetana azy mihitsy.
« Efa hatramin'ny ela mihitsy no nanamarihanay azy io. Fa tsy fantatray hoe iza no manao azy », hoy ireo olona mipetraka tsy lavitra eny. Nosoritan'ireo mponina mantsy fa amin'ny andro alina ireo tontakely no midina eny an-toerana manao ny ataony. Izay no tsy ahatrarana azy.
Amin'ny alina
Anisan'ny faritra be mponina mantsy raha Anosibe, ka izay no tsy irotsahan'ireo olon-dratsy amin'ny andro antoandro.
« Sady ho tratran'ny fokonolona eo izy raha manao izany amin'ny antoandro », hoy ihany ireo mponina.
Dia asa raha fanara-raotana na ahoana fa eo amin'ireny faritra simba ireny no ataon'ireo mpitarika sarety sy posy lalana ka hitondrany sy hametrahany ny saretiny sy ny posiposiny. Izany hoe lasa tafiditra ao anatin'ilay faritra tsy azo idirana izany ireto fitaovam-pitaterana ireto. « Tsy izahay no nanimba an'io. Fa mba misy faritra hitanay fa azo handehanana sy hidirana hametrahanay ny saretinay dia niditra izahay », hoy Rapaoly mpitarika sarety. Rehefa norarana tsy hiasa amin'ny andro antoandro mantsy izy ireo, raha ny fanazavany, dia eny no apetrany ny saretiny miandry ny ora hahafahany miasa, amin'ny valo ora alina hikaramana hitateran'entana.
« Nisy fikambanana kely nanara-maso ihany teo aloha iny lalan'Anosibe iny. Fa toa tsy hitahita izy ireo amin'izao fotoana izao », hoy ihany ireo mponina teny any an-toerana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zaza rano nisy nanary. Teo amoron-tatatra no nametrahan'ireo nanary azy an'ilay zaza rano (lahikely) teny Ankorondrano, omaly maraina. Tsy nisy fitafiana nasalotra azy fa dia napetraka fotsiny tamin'izao. Efa olona ilay izy satria efa ary tanteraka ny vatany manontolo. Manodidina eo amin'ny enim-bolana an-kibo ity zaza ity, raha ny fanazavan'ny olona nanatri-maso teny an-toerana.
Olon-droa nazeran'ny moto. Tsy nisy naninona ireto olon-droa nazeran'ny moto, omaly maraina teo Analakely. Soa fa tsy nisy fiara nirimorimo nanaraka azy, fa saika zava-doza no niseho. Nieren-doza ihany koa moa izy ireo, raha faharatrana no jerena, satria narovan'ilay aroloha ny lohany.
Nangonin'i




Imerinkasinina
Noafahana ilay voampanga ho nanapoizina ankizy
Fahafahana madiodio avy hatrany, omaly, no nomen'ny Fitsarana heloka bavava an'ilay raim-pianakaviana, R. Jean Grégoire, voampanga ho nanome poizina ka nahafaty zazalahikely tao Imerinkasinina, ny 22 marsa 2005. Tsy resy lahatra tamin'ny fiampangana azy ny Fitsarana, araka ny fanadihadiana sy ny zava-boarakitra tao anatin'ny antontan-taratasin'ady. Ny voampanga rahateo, nanda ny fiampangana azy.
Resaka halatra voatabia no nipoiran'ny raharaha. Voatabia iray gony kely mihitsy ny azy no nosoritany fa very, nisy nioty, teny an-tanimboliny. Ka rehefa nanao ny fanadihadiana ny tompon'ny entana dia izy no voatondro ho nangalatra an'ilay voatabia.
Ny namany no tratran'i Grégoire voalohany tamin'izay fotoana izay, ary nentiny avy hatrany tany amin'ny zandary. Fa ity zazalahikely ity tsy mbola voasambotra.
Herinandro taty aorian'ny nahatrarana an'ilay namany ny anao lahy vao hita faty. Hitan'ny fokonolona nitsirara teny amoron-dalana. Voalaza fa nisy rovitra ny patalohany ary ny akanjo nanaovany dia nanarona ny lohany.
Teo akaikiny teo dia nisy tavoahangim-panafody famonoana bibikely amin'ny voly izay voalaza fa tena mahafaty olona tokoa. Tsy fantatra mazava izay antony nahafaty an'ity zazalahy ity, na namono tena fa natahotra ny ho voasambotry ny zandary na nisy nanapoizina marina. Nefa tsy nisy nahita izany rehetra izany.




Tanambe Ambatondrazaka
Renim-pianakaviana mpaningina
Ny faninginana no fototr'asan'ity renim-pianakaviana iray ao Tanambe. Mahavelona ny ankohonany tsara izany.
Valovotaka tsy fidiny tany amin'iny faritr'Ambatondrazaka iny ity renim-pianakaviana mpaningina iray, fantatry ny maro amin'ny fiantsoana azy hoe « maman'i Lioka ». Ao Tanambe izy no mipetraka ary ny fanefena vy sy fanentsenana ireo fitaovana vita amin'ny plastika no ataony, hanampiana ny vola azon'ny vadiny izay manao fitadiavana hafa, mba hamelomana ny ankohonany.
Aty an-drenivohitra, avy ao amin'ny faritr'i Behenjy, mantsy no tena fihavian'ity renim-pianakaviana ity, raha ny fanazavany.
Saingy nisy olona nitaona ho any Ambatondrazaka izy no nahatonga azy honina tany. Nosoritany anefa fa nony tonga tany ny tenany dia nilaza ny tsy hampiasa azy indray ilay olona nitondra azy. Dia izay no nahatafajanona azy tany. Tsy afa-nody intsony. Ary noho ny tsinay tsy mba vatsy sy ny kibo tsy mba lamosina dia tsy maintsy nitady zava-katao hitadiavam-bola.
Mifameno ny vola azo
« Mbola tsy nanambady aho tamin'izany », hoy izy nitsiky. 15 taona izao no nambarany fa nipetrahany tany. Efa manambady izy ankehitriny, ary niteraka fito mianadahy (saingy latsaka ny iray). Dia io faninginana io no nataony fivelomana. Rangahy mikarama mametaka fantsona fivarinan'ny rano eny amin'ny tafon-trano, na miasa tanimbary..., arakaraka izay hitany.
Vola eo amin'ny 300 ariary ka hatramin'ny 700 ariary eo isan'andro no angonin'i maman'i Lioka isan'andro. « Tsy hita fa izay ahazoam-bola no atao. Toy ny asa rehetra, indraindray mandeha, mahazo 10 000 ariary, fa indraindray dia lany andro mipetraka fotsiny eto amoron-drano eto. Mifameno eo ihany ny vola azo », hoy izy.
Nosoritany fa misy fotoanany toy ny asa sasany ny faninginany. « Rehefa tonga ny fotoana fiakaran'ny vokatra dia tsy misy ny asa. Manam-bola daholo eo ny olona ka lasa mividy vaovao raha misy simba ny fitaovana ao an-dakoziany. Fa rehefa ankoatr'izay vanim-potoana izay vao mandeha izy. » Soa ihany fa efa be mpahafantatra izy ao an-toerana, na misy ihany aza ny mpaningina hafa any an-toerana, ka besataka no tonga mampanao zavatra ao aminy.





Moramanga
Ankizivavy nohosen'ny kamiao
Notetezin'ny kodiaran'ilay kamiao mihitsy, ny asabotsy tolakandro teo, tamin'ny lalam-pirenena faha-44, tao Ambohitranjavidy, distrikan'i Moramanga, ilay tovovavy kely iray nitaingina bisikileta. Roavavy izy no niara-nanao taingin-droa tamin'ilay bisikileta. Ny iray nipitika tamin'ny sisin-dalana ka mba tsy voa mafy na naratra aza, fa ilay faharoa no tavela tao ambany kodiaran'ilay kamiao.
Nifanao aloha sy aoriana tamin'ilay kamiao izy roavavy ireto. Tsara koa ny lalana ka dia samy nizotra tsara. Saingy asa izay nanjo azy roavavy, fa nijanona tampoka izy. Ilay mpamilin'ny kamiao avy ao aoriana, raha ny fanazavana azo avy tamin'ny zandarimariam-pirenena, tsy nanampo na inona na inona, ka mbola nandeha nanohy ny lalany ihany. Ary dia voadonany tamin'izay izy roavavy. Efa voadona izy roa vao nahahitsaka ny frein izy.
Matetika itrangan-dozam-pifamoivoizana, raha ny fanazavan'ny zandarimariam-pirenena, eo amin'ity faritra ity. Noho ny fihazakazahan'ny fiara no nosoritan'izy ireo fa anton'izany voalohany. Koa manainga ny manam-pafehana hametra ny hafainganam-pandeha.




Ambohitsoa
Zazalahikely nisy namono
Hividy zavatra, menaka fanendy, no nanirahina ity ankizilahikely iray teny Ambohitsoa, ny zoma tolakandro teo. Nefa fahafatesana tampoka no hitany. Tsy fantatra mazava izay nanjo azy, fa ny fokonolona no nahita ny fatiny, ny ampitso asabotsy, teny amin'ny manodidina an'Ambohitsoa.
Vatana mangatsiaka, nihoson-drà no hita. Nahitàna dian-dratra ny vatany. « Toy ny notsindronina tamin'ny vy maranitra ny masony sy ny lamosiny », hoy ny anabaviny. Nosoritany anefa fa izy nirahina nividy menaka iny no nahitàna azy farany. Elalela koa vao nahamarika ny tsy fahitana azy ny fianakaviany ka teo vao nikoropaka nitady.
« Tapitra voazaha avokoa rehefa mety ho elakela-trano sy lobolobo tao an-toerana fa tsy hita mihitsy izy », hoy ihany ity anabaviny. Izy rahateo koa moa voalaza fa manana aretina mitaiza ka nohereverin'izy ireo fa izay no nihetsika. Nefa hay tena zavatra hafa tanteraka mihitsy. Tonga teny amin'ny mpivarotra nividianany menaka ihany izy fa ny tavoahangy no navelany tao, ary izy tsy hita izay nalehany.




Ambatoroka
Lehilahy maty navadiky ny fiara
Fiara iray no nivarina tanaty hantsana teny Ambatoroka, ny zoma hariva teo. Mpandeha telo no tao anatiny ka ny mpamily no namoy ny ainy.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Ambatoroka, ny zoma hariva teo. Fiara Renault 5, avy any Ambanidia, hizotra ho any Ambohimiandra, raha ny fanazavan'ireo mponina teny amin'ny manodidina, no nivarina tanaty hantsana, raha hiditra fiolahana. Hantsana sahabo ho eo amin'ny 50 metatra eo. Nivoaka ny lalana ilay fiara ary dia tanaty hantsana no nivadika.
Aingana ny famonjena
Olona telo no tao anatiny ka ilay mpamily, raim-pianakaviana, no namoy ny ainy. Ireo tovolahy roa niaraka taminy, izay tsy hafa fa havany ihany, dia naratra. Raha ny fanazavan'ireo mponina teny amin'ny manodidina dia mbola nandona fiara 2CV izy. Ilay fiara nodoniny nipitika tany amin'ny ankavian-dalana fa izy kosa nipitika sy nivarina tany anaty hantsana.
Nanodidina ny tamin'ny 7 ora teo, raha ny fanazavan'ireo mponina manodidina teny an-toerana, no nisehoan'ny loza. « Feon-javatra nidoboka mafy be no nanaitra anay. Nihazakazaka izahay nijery, ka fiara latsaka tany anaty hantsana no hitanay », hoy Ndriana, mponina eo amin'ny manodidina. Nosoritany mantsy fa tao anaty fivarotana iray teo izy tamin'io fotoana io.
« Teo am-piomanana ny hatory indrindra izahay, no nandre feon-javatra nidoboka. Dia nivoaka nijery », hoy izy
« Izay no naha aingana ny famonjena ireo niharam-boina satria nandre daholo ny manodidina, dia tonga nizaha sy namonjy », hoy ihany ity renim-pianakaviana.
Raha ny fanazavana nomen'ireo mponina teny dia nipitika ivelan'ny fiara ilay mpamily, ka izay no nahavoa azy. « Voatsindrin'ilay fiara izy », hoy ireo fokonolona nanatri-maso ny famonjena. Mbola nentina tany amin'ny hopitaly ihany nojerena sy novonjena. Nefa dia efa vatana tsy nisy aina intsony. Ilay fiara Renault 5 kely moa potika tsy nisy noraisina.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Polisy naka vola taman'olona. Atolotra ny Fampanoavana anio ilay polisy voatondro ho naka vola taman'olona an-keriny teny Andohatapenaka, iray volana lasa izay. Nisy miaramila iray voatonona ho niaraka taminy saingy efa any am-ponja. Ity polisy ity kosa mbola nanefa ny sazy nomen'ny polisy azy aloha vao izao atolotra ny Fampanoavana izao.
Misy manafangaro ny gazoala. Fiara enina ka hatramin'ny 15 isan'andro eo no tonga miantso fanamboarana ao amin'ny garazy iray mpanamboatra ny « pompe »-n'ny fiara eny Andavamamba. Nambaran'ny tompon'andraikitra amin'izany garazy izany fa ny fifangaroan'ny gazoala amin'ny zavatra hafa, toy ny rano na solitany, no fototra mahatonga izany fahavoazana izany.
Nangonin'i




Antsirabe
Vaki-trano vao maraina
Tranon'ny mpitandro ny filaminana iray, ambony rihana, ao amin'ny fokontany Mahafaly ao anaty kaominina Antsirabe I no nisy namaky ny alin'ny zoma 22 aogositra. Lasan'ireo olon-dratsy tamin'izany ny fahitalavitra, bisikileta, vilany , vilia.
Nitantara ny zavatra nitranga tamin'io alina io ilay ramatoa izay mipetraka ao ambany rihana. Nambarany ary fa toa nisy zavatra henony nikasokasoka tao ambony rihana, teo izy dia efa mahana. Ny zavatra tao an-tsainy dia hoe: « Efa tonga ve ry zareo ao ambony sa iza izao »,avy hatrany dia nantsoiny. Nefa tsy nisy namaly, ary vao maika nikorontana ny sainy; tora-kovitra izy satria tsy tao ny vadiny fa niasa. Avy hatrany dia nitsoka kiririoka mafy izy sady niantso vonjeo, ary saika ho namoha ny varavarambe kanjo nasian'ireo olon-dratsy « cadenas » avy aty ivelany.
Noho izany kiririoka tsy nisy fiantoany izany dia taitra ireo olona manodidina. Nopitsohan'izy ireo ity varavarana ity, ary ireo olon-dratsy kosa tamin'io efa lasa nitsoaka tsy hita intsony. Avy eo vao samy nijery ny manodidina ary tamin'izay indray no nahitàna fa saika nentin'ireo mpangalatra koa ny akoho amam-borona. Manao fanamarihana moa ity ramatoa ity fa olona akaiky ihany no nahavanona an'izao. Efa eny ampela-tanan'ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha.




Tontolo iainana
Petsa lava ny sisin-dalana eo Soarano
Tsy fahavaratra tsy main-tany fa mando lava ny sisin-dalana eo Soarano, eo amin'ny fiolahana avy any Behoririka ho any Soarano. Tsy fantatra izay mampisy rano eo satria tsy hita misy tatatra na paompy vaky, fa dia rano maloto mihandrona mavo be no hita eo. Tsy hita mikoriana ihany koa fa dia mihandrona eo.
Sahiranamihitsy ny mpandeha an-tongotra rehefa mandalo. Ny sisin-dalana eo amin'io fiolahana io efa tery. Ny rano maloto ihany koa anefa manahirana, mila tsy azo andehanana.
Tsy mahagaga raha toa ka midina any amin'ny arabe ny mpandeha an-tongotra. Ny mpivarotra amoron-dalana rahateo na dia tery toy izany aza ny lalana, mibahana ihany koa.
Nisy ihany ny fanam-boarana nataon'ny fivondronana fa tsy voakitika mihitsy ity faritra petsapetsa lava ity, izay tsy vao nipoitra tato anatin'ny andro vitsy fa efa hatramin'ny ela, an-taonany maro, raha ny fanazavan'ireo mpivarotra eo an-toerana.




Itaosy
Jiolahy roa tratra namono mpiambina
Tra-tehaky ny zandary avy ao Itaosy, ny faran'ny herinandro teo, ireo roalahy namono mpiambina tranon'olona teny Itaosy, ny alin'ny 6 hifoha 7 jolay teo. Ilay scooter nipetraka tao an-tokotanin'ity trano ity, araka ny vaovao azo, no tena nanintona ireto roalahy ireto. Saingy tsy hitany izay fomba nakana azy noho ny fisian'ilay mpiambina. Ary teo no nitsirian'ny hevitra hamono ilay mpiambina.
Niditra ny tanàna àry ry zalahy tamin'io andro io. Nojokoin'izy roalahy teo ilay mpiambina, nodarohany ary nakapony tamin'ny tany. Norohizany sy nokendainy tamin'ny tady ka rehefa tsy nihetsika intsony dia navelany; natosiny tsimoramora ilay moto nangalariny.
Tsy hita popoka izy roalahy avy eo. Tsy nijanona anefa ny fikarohana, ka ny herinandro teo no hitan'ny tompony namidy teny Isotry ilay moto. Efa niova ny lokony, fa ny tsy nampoiziny ny fisian'ny marika nahafantaran'ny tompony azy, ary tamin'izay no nahatrarana azy roalahy.
Ny asabotsy teo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana teny Anosy.




Ampasampito
Manamboninahitry ny zandary voatevateva
Teo imasom-bahoaka, afak'omaly hariva, teo Ampasampito, tokony ho tamin'ny enina ora, no nanevatevan'ireto mpamily fiara Renault 4 roalahy ilay manamboninahitry ny zandarimaria, misalotra ny girady lietna. « Ialahy izay lietna kely io. Tsy mankaiza ialahy. Ity ilay taratasy nalain'ialahy teo. Izahay leitna zanak'anabavin'ny jeneraly R.... (manamboninahitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena sady mitana andraikitra goavana eo amin'ny raharaham-pirenena). Firy ny nomerao "matricule" an'ialahy, ny anaran'ialahy ... », hoy izy ireo.
Nohenjehiny no sady nosakanany ny fiara nitondra ity manamboninahitry ny zandary ity. Tsy nahateny tsy nahavolana ilay lietna. Toa nahatsiaro ho nangasihasy sy tsy nisy hasina. Izy amin'io anefa manao ny fanamiany ara-dalàna.
Raha ny fanadihadiana natao dia hay ry zalahy ireto tezitra tamin'ny niantsoan'ity manamboninahitra ity ny zandary mpitaingina moto izay manara-maso ny fifamoivoizana tao Ambanitsena, noho izy ireo nibahan-dalana tao (raha nisakafo), ka nampitohana ny fifamoivoizana.
Izay nataony tamin'ilay zandary mpitondra moto ka nahazoany ny taratsin'ny fiarany moa tsy fantatra, fa dia tany amin'ilay lietna izy no nanampatra ny hasosorany rehefa tafaverina ny taratasiny.
Asa aloha izay fandehany fa nilaza ny hanao tatitra amin'ny lehibeny na izany na tsy izany ity manamboninahitra ity.




Fifaninanana Sida
Nahazo voalohany i Firinga Setraniaina
Nampanao fifaninanana ny komitim-pirenena miady amin'ny SIDA. Ny tantara nataon'i Firinga Setraniaina no nahazo ny loka.
Nobatan'i Firinga Setraniaina Valisoa (18 taona) ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana nampanaovin'ny Komitim-pirenena miady amin'ny SIDA (CNLS) sy ny Vaomieran'ny ranomasimbe indiana (COI). Ny tantara fohy noforoniny, izay tantara velona satria notsongainy tamin'ny tantaran-drainy, nitondra ny tsimok'aretina, no nataony tamin'izany.
« Ny tanjoko dia ny mba hanomezako hery ny raiko izay mitondra io tsimok'aretina io sy hamporisihina ihany koa ny olona tsy handositra ireo voan'ireny aretina ireny », hoy izy feno, fihetseham-po, nanazava ny votoatin'ity tantara kely nosoratany ity. « Mba tsy ho irery i papa », hoy ihany izy nanampy.
Niova ny fiainany
Efa nisara-toerana hatramin'izy fony kely ny rainy sy ny renin'i Firinga, ka izy sy ny rainy no miara-mipetraka. « Tsy dia noraharahiako no sady tsy ninoako ny fisian'ny SIDA hatramin'izay. Fa hatramin'ny nahalalako fa mitondra an'io tsimok'aretina io ny raiko, ny taona 2007 nitantarany azy tamiko, no nanomboka liana taminy », hoy izy.
Niova ny fiainany nanomboka teo, raha ny fanazavany. « Mandefitra aho. Miezaka ny tsy hanao izay mampalahelo an'i papa. Tsy mampiseho endrika maloka aminy ihany koa fa miezaka ny maneho fifaliana lalandava ho azy », hoy i Firinga.
Tao amin'ny efitranon'izy mianaka no nosoritany tamin'izay fotoana izay no namborahan-drainy an'ity aretina nananany ity.
« Nantsoiny aho tamin'izay hilazany zavatra, hono. Taitra aho nandre an'ilay izy ary nitomany. Nefa rehefa niara-nivoaka tany ivelany, niara-nisakafo izahay mianaka dia tony aho. Ary nanomboka teo no nanezahako nanampiana ny raiko tamin'ny ara-tsaina mba tsy hahakivy azy », hoy izy tao anatin'ny maso manganohano.
Mbola mpianatra i Firinga Setraniaina. Mpianatra ao amin'ny taona faharoa, sampana teknika eny amin'ny sekoly teknika eny Mahamasina.
Marihina fa ankizy 9 avy amin'ny faritra maro manerana ny nosy no indray nozaraina loka tamin'ity fifaninanana ity, omaly teny Ampefiloha. Tao ny nanao tantara an-tsary, ny afisy ... « Tsy ho verivery foana ireny fa ampiasaina entina hanentanana ny olona, indrindra fa ny tanora, satria tanora avokoa no noezahina nosarihina tamin'ity fifaninanana ity », hoy ny mpikarakara.





Andoharanofotsy
Nitokona ny mpivarotra
Sora-baventy maneho tsy fahafaliana amin'ny fanesoran'ny kaominina azy amin'ny toerany no narantirantin'ireo mpivarotra an-jatony (araka ny filazan'ireo mpivarotra) teo amin'ny arabe, omaly, teny Andoharanofotsy lalan-tany. Nambaran'izy ireo mantsy fa tery vay manta fotsiny, tsy mba nisy fampandrenesana akory, no nataon'ny teo anivon'ny kaominina amin'ny fanesorana azy ireo. Izy ireo rahateo mandoa haban-tsena ara-dalàna, izay midika ho fanekena azy hivarotra eo an-toerana.
« Any amin'ny tsenabe izahay no afindra, nefa toerana tsy mahazatra ny mpividy any. Ny mpivarotra efa ao anatiny aza mivoaka », hoy ireo voakasiky ny famindrana. Tsy te-halala izany anefa ny eo anivon'ny kaominina, raha nanontaniana. Mazava ny tenin'ny tompon'andraikitra tao aminy izay hita tao an-toerana. « Tafiditra ao anatin'ny fanadiovana ny tanàna io fanalana ny mpivarotra eo amin'ny lalan-tany io. Ka tsy maintsy hatao », hoy izy.
Mpivarotra legioma, voankazo, voamaina... moa ireto tiana hafindra ireto.




Ambohimahitsy
Vehivavy nianjera tanaty hantsana famakiam-bato.
Maty ilay vaviantitra nianjera teny amin'ny famakiam-bato teny Ambohimahitsy, omaly. Hantsana 25 metatra eo no nianjerany.
Renim-pianakaviana iray, 72 taona, antsoina hoe Raliza, omaly maraina vao mangiran-dratsy, no hitan'ny mpiambina nitsirara tao amin'ny famakiam-bato iray teny Ambohimahitsy. Vaky ny lohany ka nitosaka ny ra. Feno ratra ny tarehiny, ary ny lohaliny sy ny tratrany koa dia hita fa voa mafy.
Raha ny fanazavan'ireo mpiasa namaky vato tao amin'ity toerana ity dia nianjera avy tany amin'ny arabe ambony tany izy, ka notsenain'ireo vato niranirany sy ireo rantsa-kazo naniry. Manodidina ny 25 metatra mantsy ny halalin'ilay hantsana teo amin'ilay toerana famakiam-bato.
« Vao maraina dia efa nalaza tety an-tanàna fa misy fatin'olona ao amin'ny famakiam-bato ao. Lasa aho nijery ary notazaniko fotsiny satria tsy noeritretiko mihitsy ho ny mamanay. Nahatazana ny zandriko teny ambany nitomany be aho sady nandre ny tenin'ny manodidina hoe "maman'i Fanja" ilay izy, vao taitra ka nanatona », hoy Rakotoarivony Alfred, zanak'ity renim-pianakaviana ity.
Nambarany fa vao tamin'ny 6 ora hariva ity reniny ity no niara-nisangy tamin' ny zandriny lahy iray.
« Nisaraka teo izahay dia nankany amin'ny zandrinay faravavy izy. Tsy noeritreretinay hoe niharan-doza, satria fanaony ny matory any amin'izay zanany iarahany hariva », hoy ihany izy.
Nataon'ny zandary ny fitsirihana ary teo no ho eo dia nalaina ny razana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Raim-pianakaviana namono zanaka.
Maty mihitsy ilay tovovavy kely iray, 17 taona, novelesin'ny dadany tao Soaloka, fokontanin'i Kandandy any amin'iny faritr'i Maevatanàna iny, ny 22 aogositra teo. Tsy nitsitsy mihitsy ity rainy nively azy tamin'ny kobay. Ny reniny no lasa niantso zandary nony avy eo. Rangahy kosa lasa nitsoaka nandositra.
Voaheloka ilay namaky ny radio Vakiniadiana. Sazy telo volana an-tranomaizina, sazy mihatra, miampy fandoavana onitra 730 000 ariary sy lamandy 300 000 ariary, no azon'ilay lehilahy voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny famakiana ny radio Vakiniadiana, ny alin'ny 2 jona asa teo. Ny alatsinainy teo no nivoaka ny didim-pitsarana tamin'izany.
Omby 14 noroahin'ny dahalo. Vaky tady nitsoaka nandositra avokoa, tao Morafeno, kaominin'Andriamena amin'iny distrikan'i Tsaratanàna iny, ireo dahalo sivy lahy raha nahita ny firodorodon'ireo fokonolona nampian'ny zandary nanara-dia azy ireo. Navelany, araka izany, ireo ombin'olona 14 noroahiny.
Nangonin'i




Tanjombato
Jiolahy nandrava tokantranon'olona
Vata fahitalavitra roa, finday telo, radio lehibe iray ary lelavola mitentina 200 000 ariary no indray norobain'ny andian-jiolahy tao amin'ity tokantranon'olona iray teny Tanjombato, omaly maraina tokony ho tamin'ny 2 ora. Raha ny fanazavana azo dia toy ny nahafantatra ny mombamomba ny zava-mitranga ao amin'izy ireo mihitsy ireo jiolahy nandroba tao aminy.
Nitaky vola tamin'ireo tompon-trano izy, vola izay nambarany fa nalaina tany amin'ny banky. Nisy fotoana tokoa, raha ny voalaza, nandehanan'ny tompon-trano tany amin'ny banky. Saingy hafa no anton-diany tany amin' izany.Nofatoran'ireo olon-dratsy avokoa ireo olona tao an-trano. Vehivavy iray ihany no tsy nataony izany satria notereny hitarika azy hitety ny efitra rehetra hahafahany mitady izay zavatra nilainy.
Mpivarotra enta-madinika ao an-tanàna moa ireto olona notafihiny ireto. Noeritreretin'ireo jiolahy ho nanana vola be izy ireo. Kanjo tsy araka izay no hitany.
Efa nametraka fitarainana tany amin'ny polisy moa ireo niharam-boina ary mandeha ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao.




Ampasika
Zazalahy nitsambikina tao Ikopa
Tsy tratra mihitsy ilay zazalahikely 13 taona nitsambikina tao Ikopa , omaly. Ny mpamonjy voina no naka ny razana tao an-toerana.
Nisahotaka izay tsy izy, omaly maraina tokony ho tamin'ny 8 ora teo, ny mponina sy ny mpandalo teny amin'iny tetezan' Ampasika iny. Poa toy izay, fefika olona ny tetezana sy ny moron'iny reniranon'Ikopa iny.
Zazalahikely iray, 13 taona eo mantsy, raha ny fanazavan'izy ireo, no nitsambikina tampotampoka teo tao anatin'ny ranon'Ikopa tao. « Vao teo vao teo izy no hitan'ny olona nividy anana teto amiko teto. Nijorojoro nanamorona an'io arofanina banga io. Hay izy ka hitsambikina ao ambany tetezana », hoy ilay mpivarotra teo ambony tetezana.
Alahelo an-drainy
« Tsy ampoizina mihitsy. Nihodina kely fotsiny aho dia feon-javatra nidoboka mafy avy ao anaty rano no reko », hoy koa ny iray. Ary izy navalavalan'ny rano nivoaka sy niditra sisa no hita.Ny tanany sy ny lohany no tazana nifandimby nipoitra sy nilentika, raha ny fanazavan'ireo nahita.
« Nitabataba ihany izahay, nikiakiaka sy niantso vonjy tamin'ireo mpitaingin-dakana mitaona fasika sy biriky mba hamonjy azy. Saingy tsy tratra mihitsy ilay zaza », hoy indray ny mpanasa lamba. Nilentika izy dia tsy hita intsony.
Ny mpamonjy voina avy teo no nantsoina nikaroka azy tao anaty rano. Sahabo 100 metatra miala amin'ny toerana nilatsahany no nahitana ny razana.
Raha ny fanazavan'ny dadatoany, izay nitaiza azy, dia mety ho misy ifandraisany amin'ny famonosan-damba ny rainy izao famonoan-tenan'ity zazalahikely ity izao. « Nivory ny amin'ny hamadihana ny rainy maty telo taona lasa izahay. Nanganohano ny masony, ary nivoaka ny trano izy nony avy eo », hoy ihany ity dadatoany ity.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpianaka maty navadiky ny fiara. Fiara 4x4 iray tany Manakara no nivadibadika tamin'iny lalam-pirenena faha-12 iny, raha hiditra fiolahana. Mpandeha fito no tao anatiny. Saingy tsy nisy afa-tsy izy mianaka ireto no tena nidiran-doza ka maty tsy tra-drano. Naratra kosa ny telo, ary renim-pianakaviana nitaiza kely no tsy naninona.
Olona 15 natao an-keriny. Avotra avy teo am-pelatanan'ireo dahalo avokoa ireo olona 15, vehivavy mpanosy vary sy vatan-dehilahy, nataony an-keriny nandritra ny halatr'omby nataon'izy ireo tao Mandritsara, ny herinandro teo. Nihetsika ireo zandary nanao ny fanarahan-dia ka maty voatifitra avokoa ireo dahalo dimy tamin'izany.
Nangonin'i




Fitaterana
Hihatra ny lalàna
Tsy fahazoana miasa mandritra ny 15 ka hatramin'ny 90 andro no sazy azon'ny mpamily sy ny fiara nanao lozam-pifamoivoizana, raha toa ka tsy namoy ny ainy ilay olona nodoniny. Raha maty kosa ilay voadona dia tsy famelana azy ireo hiasa intsony no azony. Fanazavana nomen'ny tale jeneralin'ny minisiteran'ny Fitaterana, ny kolonely Faly Randriamam-piadana, izany. Tsy maintsy hiharan'ny sazy izay mpamily tsy manara-dalàna.
Ny polisy na ny zandary izay manao ny fanadihadiana no misintona ny taratasy fahazoan-dala-manamorin'ny mpamily. Dia izy ireo indray avy eo no mampita izany any amin'ny Préfet.
Ho an'ny tompona fiara moa dia nosoritany fa raha tena goavana ilay loza, dia tsy afaka handray ilay mpamily intsony izy. « Misy mafy loha amin'ireny mpamily sy resevera ireny », hoy ity tompona fiara iray. Na dia efa hadihadiana amin'ny fahaizany ny fitsipiky ny fifamoivoizana sy ampanaovina andrana izao aza izy, rehefa za-dratsy dia manaonao foana.




Ambanidia
Adala nidaroka resevera
May volon-tratra ihany koa ity resevera iray teny Ambanidia, ny herinandro teo, nanaovan'ny adala azy. Izy variana nivazavaza niantso mpandeha iny indrindra mantsy, teo amin'ny fiantsonany, no nodarohan'ilay adala vavy sendra nandalo izy.
Dia nanaovan'ity vehivavy ity daroky ny tsy miala vola tokoa, araka ny filazan'ny olona izay nahita azy.
Niherika kely ilay resevera nijery an'ity namono azy. Ka raha vao nahita fa adala no tao aoriany, dia sady nikoropaka izy namonjy ny varavaran'ny fiarany no namporisika ny mpamily hamelona sy hampandroso an'ilay fiara. « Andao haingana fa maty lako eto aho farany », izay no nasesiny sady nakaratony haingana ny varavaran'ny fiara.
Soa ihany fa tsy nisy zavatra teny an-tanan'ilay adala vavy, fa ny tanambeny fotsiny no nazerany teo amin'ny lamosin'ilay resevera dia nampironjona azy.




Akamasoa
Madio ny tanàna
Mahafinaritra tokoa ny faha-diovan'ny tanàna ao amin'ny Toby Akamasoa izay tantanan'ny mopera Pedro, eny Ambohimahitsy. Tsy arakaraky ny fahantran' ireo mponina miaina ao aminy, fa madio dia madio.
Tsy mba ahitana an'ireny poti-kanina sy harona cellophane na fako hafa ireny eny amin'ny arabe na ny sisin-dalana. Na dia ny vovoka aza tsy hita mamemo lalana.
« Ny olona mihitsy, raha vantany vao tonga ety, dia efa ampianarina fahadiovana, ankoatra ny fanabeazana azy hiatrika ny fiainany », hoy i Ravolamihanta Heriniaina Voahangy, renim-pianakaviana iray sendra nanadio tanàna teny an-toerana.
« Mizara ekipa telo izahay, ary samy manadio ny anjarany avy satria efa voatsinjara toy izany koa ny toerana iasana, araka ny faritra tsirairay avy », hoy ihany izy. Tsy misy mifanjana fa efa samy mahalala ny anjarany avy. Isa-maraina no nambarany fa tsy maintsy hanadiovana ny tanàna. Tsy mamafa lalana fotsiny ihany no atao amin'izany fa manala ireo bozaka aman'ahitra maniry eny anelanelan'ireo vato nalahatra amin'ny arabe ihany koa, raha misy izany. Vita izay vao mamonjy ny asa fanao andavan'andro.
Nosoritany fa na ny ankizy aza dia efa beazina mba hahalala madio ka tsy hanarinary fako eny an-dalambe. Ary izany no nametrahana dabam-pako eny amin'ny sisin-dalana, mila ho isaky ny kihon-dalana.
« Ny olona avy any ivelany mazana no manarinary fako ety aminay », hoy ihany i Voahangy.
Ny fitaizana tokoa no antony, fa mahavita zavatra tsara rehefa vonon-kandray !





Ambatondrazaka
Anatonana mpimasy ny famoran-jaza
Ny rainjaza no efa nialan'ireo ray aman-dreny maro any Alaotra. Saingy mbola zava-dehibe amin'izy ireo ny fanatonana mpimasy mialoha ny hamorana zaza.
Na dia efa mivoatra, tsy mirona firy mankany amin'ny rainjaza intsony aza ireo ray aman-dreny manao hasoavana ny zanany, any amin'ny faritr'Ambatondrazaka, dia misy ihany ny fomban-drazana tsy azo avela. Anisan'izany ny fijerena ny andron'ny zaza.
« Tsy maintsy hatao io rehefa hikarakara famoran-jaza satria manomboka eo vao tena lehilahy hiatrika ny fiainany izy. Ka sao mifanohitra amin'ny androny na mitondra zava-doza ho azy ilay andro hanatanterahana ny hasoavana », hoy Ratsimanendry Edmond, izay nitondra ny zanany natao hasoavana tany amin'ny mpitsabo tao Tanambe.
Manandro
Nosoritany fa tsy ataon'ireo ray aman-dreny ambanin-javatra ny fijerena andron-jaza. Vao herinandro na iray volana, na vao teraka mihitsy aza, dia entina any amin'ny mpimasy hijerena ny androny ny zaza. « Ny mpimasy irery ihany mantsy no afa-mijery sy manamboatra izany. Jerena sy ampivadiana amin'ny andron'ny ray aman-dreniny ny androny, sao tsy mifanaraka. Amboarina raha tsy mifandray », hoy ihany ity raim-pianakaviana ity. Dia mbola toy izany koa no hatao mialoha ny hanaovana ny hasoavan-jaza.
Nosoritany fa ny zazalahikely manomboka eo amin'io andro haterahany io dia tsy ampiankanjoana, eny fa na dia pataloha aza. « Salorana lamba fotsiny, ka raha tsy vita fora, tsy mahazo ampanaovina akanjo izy. Na firy taona aza vao hatao hasoavana », hoy ihany Ratsimanendry Edmond.
Fitafiana fotsy sy satroka mena no ampitafiana azy voalohany raha vantany vao vita fora. Ka mahazo ampiakanjoana amin'izay manomboka eo. Marihina fa mialoha ny hiaingana ho any amin'ny dokotera hamorana ny zaza dia mbola manao joro, mivavaka ao an-trano aloha ny fianakaviana rehetra. Ny raiben-jaza no mitarika ny fotoana amin'izany.
Fety be ho an'ireo fianakaviana any amin'iny faritr'Alaotra iny mantsy ny famoran-jaza ka miara-mifanotrona eo daholo ny mpianakavy, miara-mifaly sy mikorana. Ny manan-katao moa dia mamono omby mihitsy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Lehilahy nianjera teny an-davarangana.
Tao amin'ny sekoly lehibe iray tao Antanimena no nianjera ity lehilahy iray. Avy teny amin'ny rihana faharoa, teny an-davarangana izy, no nidoboka. Vaky ny lohany ary nivoa-drà. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza.
Mpandeha dimy naratran'ny lozam-pifamoivoizana. Fiara mpitatitra iray sy fiara « Chevrolet » iray no nifandona teo Ambohidahy, omaly maraina. Tsy fantatra mazava izay fomba nahatonga ny loza. Mpandeha dimy tao anatin'ilay fiara mpitatitra no naratra ka nentina novonjena teny amin'ny hopitaly HJRA eny Ampefiloha. Afaka nody soa aman-tsara izy ireo. Ny fiara roa no nisy fahavoazana.
Fiara mpitatitra nogiazan'ny polisy. Avy any Ambohimangakely no nentin'ny polisy ilay fiara mpitatitra iray, ary avy hatrany dia navantana eny amin'ny biraon'izy ireo eny Anosy misahana ny heloka bevava. Ahiahiana ho fiara halatra izy ity ka izay no antony nakana azy, anaovana fanadihadiana.
Olona telo naiditra am-ponja. Tokantranon'olona nisy nanafika tao Maninday, any amin'iny faritr'i Toliara iny, ny 26 jolay teo, no nahiahiana ho notafihin'ireto olona telo ireto. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo satria nitam-basy tamin'izay ary entana lafovidy mitentina 7 128 000 ariary no indray voaroba.
Nangonin'i




Ambatondrazaka
Mpangala-bary hiatrika fitsarana
Ny 3 septambra ho avy izao no hiatrika fitsarana, ao Ambatondrazaka, ireo olona tratra ambodiomby nangala-bary tamin'ny tanimbarin'olona. Tao amin'ny faritr'i Marianne, no niseho ny halatra, ny 26 jolay teo. Telolahy no saron'ny tompon'ny tanimbary tamin'izany. Rehefa nandeha anefa ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana, dia olona dimy no indray voarohirohy.
Varin'olona efa masaka no nojinjain'ireto olona ireto tamin'izany, tamin'ny tanimbary mahatratra 7 ha teo, amin'ny 11 ha izay novolen'ny tompony.
Ny tompon-tanimbary izay tonga mba hijinja ny variny tany an-toerana no nahatratra azy ireo. Ankona foana teo izy satria ny vary nantenaina hahavita taona no indray naripaky ny mpangalatra.
Manjaka mihitsy ny mpangala-bary any amin'iny faritr'Alaotra iny, rehefa fotoana fiakaran'ny vokatra toy izao. Mitondra faisana, araka izany, ireo tantsaha, ka maniry ny mba hisian'ny famaizana hentitra ho an'ireo izay tratra manao izany.




Tolotr'asa
Boky vaovao ho an'ny tantsaha
Boky mikasika ireo karazan'asa azon'ny tantsaha tanterahina indray no navoakan'ny mpanoratra André Rakotondranaivo izay narafitra amin'ny teny malagasy.
Boky roa vaovao entina hanampiana ny tantsaha indray no navoakan'ny mpanoratra André Rakotondranaivo. Omaly no naseho am-pahibemaso, teny amin'ny Tranombokim-pirenena eny Anosy ireo boky roa vaovao ireo.
« Natao hanampiana ireo tantsaha amin'ny fanatsarany ny fiainany izy ity. Ao anatin'ny boky ihany koa ny sekoly mamokatra. Izany hoe fampianarana azy ny asa sy izay teknika samihafa mety ho vitany sy afaka tanterahiny. Misy toro-lalana marobe mantsy ao anatiny », hoy izy.
Fanagasiana
Nosoritany fa amin'ny teny malagasy ranofotsiny no nanoratana ny boky, mba ho mora azon'ny tantsaha sy izay olona mila azy. « Efa fampiharana sahady an'ilay politikan'ny fanjakana amin'ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra ity boky ity », hoy ny fana-marihan'ny mpanoratra.
Anisany mankasitraka tanteraka an'ny fanagasiana ny teny enti-mampianatra izy, raha ny fanazavany.
« Tolona efa nataonay tamin'ny taona 1972 io. Saingy tsy voalalina tsara ny fanatanterahina azy teto, ka izay no nahatonga antsika tsy vazaha tsy gasy raha miresaka », hoy izy. Notsindriany fa tsy i Madagasikara irery no mampiasa izany tenin-drazany izany ho teny enti-mampianatra, fa misy dia misy ihany tokoa ny firenena manao izany.
Mikasika izay lafiny fampianarana izay ihany, dia notsindrian'i André Rakotondranaivo ny fankahasitrahany ny fanovana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Izany hoe ny fanaovana fito taona ny ambaratonga voalohany.
« Tsy misy maharatsy an'izay mihitsy. Mba manana fahalalana tsara ny zaza malagasy rehetra amin'izay vao miala mianatra, sady amin'izay tsy manalavitra ny ray aman-dreniny fa eo anatrehany », hoy izy.
Na izany aza anefa dia nokianiny ihany ny fanotan'ny fanjakana malagasy boky fampianarana eto Madagasikara any ivelany.
« Gaga aho ny amin'izay. Manana trano printy afaka manao izany tsara isika eto Madagasikara. Ary manankarena mpanoratra mamokatra boky fampianarana ihany koa », hoy izy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Teratany malagasy roa voasambotra. Fanondranana héroïne mankao Maorisy no fototra nisamboran'ny mpitandro ny filaminana Maorisiana misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina avy ao amin'ny ADSU (Anti-Drug and Smubblin Unit) ireto teratany Malagasy roalahy. Vao niainga teto Madagasikara ireto Malagasy ireto dia nahazoan'ny polisy maorisiana vaovao, ary dia izao nosamborina izao.
Zaza menavava nieren-doza. Fiara 4x4 double cabine iray no niharan-dozam-pifamoivoizana tao Manakara, faritr'i Vatovavy Fitovinany. Olona enina no tao anatiny ka ny roa namoy ny ainy. Telo hafa kosa naratra ary zaza menavava iray nieren-doza ka tsy naninona. Nivoaka ny lalana ary nivadika tany anaty hantsana ilay fiara.
Trano hazo efatra kila forehitra. Tsy nisy niangana na dia fototra iray aza ireo trano hazo nidedahan'ny afo teny Ambodivona, omaly maraina tokony ho tamin'ny 2 ora. Jiron-dabozia tao amin'ny tokantrano iray, araka ireo niharam-boina, no nahatonga ny loza. Tsy nisy maty fa renim-pianakaviana iray izay nanavotra ny enta-keliny no may lamosina sy tarehy. Olona 17, noho izany, no tsy manan-kialofana.
Nangonin'i




Fandriampahalemana
Radio BLU ho an'ny zandary
Paositry ny zandary telo, roa avy ao amin'ny distrikan'Ankazobe (ny zandary avy ao amin'ny kaominin'i Fiadanana sy Ambolotarakely) ary iray kosa ao amin'ny distrikan'Anjozorobe (ny zandary avy ao amin'ny kaominin'Antanetibe), no indray notolorana fitaovam-pifandraisana, radio BLU, ny faran'ny herinandro teo. Ny kolonely Rakotonandrasana Frédéric, lehiben'ny vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga, no tonga nanolotra izany tany an-toerana.
Narahina dinik'asa ny lanonana ka nivoitra tamin'izany ny tsy fisian'ny fandriampaha-lemana amin'iny faritra iny.
Anisan'ny manome vahana ny asan-dahalo ny faharatsian'ny lalana. Nanamarika ity tompon' andraikitra ity fa isan'ny vahaolana hanatsarana izany fandriampahalemana izany izao fampitaovan'ny zandary any an-toerana izao.




Anosy
Hotsaraina i Rababany
Ho sesilany ny fitsarana ireo raharaha goavana ao amin'ny Fitsarana heloka bevava amin'ity. Hisantatra izany, rahampitso, ny raharahan-dRababany. Ilay lehilahy kalaza amin'ny haiady, kick boxing, no sady polisy avy ao amin'ny sampa-draharahan'ny fiadiana amin'ny jiolahy gaigilahy koa.
Ilay raharaha fanafihana orinasa mikarakara ny vokatra an-dranomasina, Sea Reine, eny Talatamaty, ny 30 oktobra 2006, no hitsarana azy amin'izany. Anisan'ireo olona nosamborina satria voarohirohy amin'ity raharaha ity mantsy ny tenany.
Dimy lahy eo izy no indray hiatrika ny fitsarana rahampitso, dia i Haja-Raex, Ratah, Rapepe ary Rakoto. Marihina fa mpiasa tao amin'ity orinasa ity Rakoto. Voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin'ireo olon-dratsy tamin'ny fanomezam-baovao sy fanamorana ny fidiran'ireo jiolahy tao amin'ny orinasa izy.
Jiolahy maromaro, nitam-piadiana, izy ireo tamin'izay fotoana izay, raha tsiahivina ny zava-nitranga, no indray nanafika an'ity orinasa ity.
Nanao fanamiana avokoa ary nilaza fa hiditra mba hisava ny taratasy fahazoan-dalan'ilay orinasa amin'ny fanatan-terahany ny asany. Nefa nony tafiditra tao an-trano dia nandrahona ny mpiasa tao, ary nibata ilay coffre lehibe.
Vola be nitentina 120 tapitrisa ariary no indray nafoin'ity orinasa ity, lasan'ireo jiolahy tamin'io andro io.




Festa Mania
Niavaka ny adin'akoholahy
Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no liana amin'ny fampiadiana akoholahy. Nahasarika olona maro izany tany Ambositra nandritra ny hetsika Festa Mania.
Tontosa soa aman-tsara tao Ambositra, ny 22 ka hatramin'ny 24 aogositra teo, ilay hetsika lehibe, Festa Mania, izay nanehoan'ny faritra Amoron'i Mania ny hetsika ara-javakanto sy kolon-tsaina avy amin'iny faritra iny.
Anisan'ny nampahalaza an'iny faritr'i Betsileo iny hatramin'izay, raha ny eo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena no resahina, ny tolon'omby na ny savika. Nefa dia mbola nisongadina lavitra noho izany, satria anisan'ny nahasarika olona betsaka ( indrindra ny mpizaha tany ) ny adin'akoholahy.
Ezaka fanatsarana
Sambany teo amin'ny tantaran'ny hetsika goavana toy itony ny fisian'ny adin'akoholahy. Santatra, araka izany, no nanatanterahan'ny mpikarakara azy tamin'ity Festa Mania andiany fahatelo ity. Ary dia tsapa fa tena nahaliana ny maro fatratra tokoa, na lahy na vavy.
Tao amin'ny kianjan'ny savika tao an-toerana no nanatanterahana an'ity adin'akoholahy ity. Efa nasiana sehatra manokana hiatrehana azy, noho izy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoana. Ary dia notokanana tao anatin'io hetsika io izany.
Na dia biby aza no nampiadiana dia azo lazaina fa hetsika nasionaly izy ity satria maro tamin'ireo olona nanana akoholahy nampiadiana no avy any ivelan'ny faritra. Nisy ny avy any Antananarivo, Fianarantsoa, Manakara... Nihevitra ny mpikarakara fa ho ezahina hatsaraina manomboka izao ity adin'akoholahy ity any an-toerana.
Ankoatra ny hetsika ara-panatanjahan-tena dia mbola nisy ihany koa ny ara-javakanto samihafa nentina nampivoarana ny zava-misy any amin'ny faritra Amoron'i Mania. Tao ny fanehoana ireo vakodrazana sy dihy betsileo toy ny dombolo, saritaka, marakely, jejo, dobolava, antsa, sely... Satria ny mpizahan-tany no tena nosarihana tamin'ny fanatanterahana azy ireny, dia lanonana an-trano na cabaret no nentina nanatanterahana azy. Ny hisarihana ireo mpizahan-tany hirodorodo any an-toerana moa no tena tanjon'ny mpikarakara tamin'ity Festa Mania ity.





Média (3)
L'au revoir de L'Express à son Directeur général
L'équipe rédactionnelle du groupe L'Express de Madagascar.




Média (6)
L'au revoir de L'Express à son Directeur général
L'équipe des secrétaires de rédaction, entourant le Rédacteur en chef.




Toamasina
Hiofana ny mpanao asa tànana
Nisy 180 ireo mpanao asa tànana, avy ao amin'ny faritra Atsinanana, no namaly ny fanasan'ny Mada Craft ho fanomanana fandaharan'asa iray hokarakarainy.
Noho ny fisian'ny lesoka eo amin'ny fahaiza-manao no antony hanaovana izao fiofanana karakarain'ny Mada Craft eto Toamasina izao.
Takiana amin'ireo mpanao asa tànana maniry hanaraka izany ny fahaizany mamaky teny sy manoratra ary manao ho antom-pivelomana, farafahakeliny efa ho roa taona, ny fanaovana asa tànana.
Ao aorian'ny 15 septambra no hanomboka ny fiofanana. Hampianarina amin'izany ny fomba famoronana orinasa, ny fanarahana ny fenitra samihafa, ny fomba fitantanana ny kaomandy, ny fitantanana ara-bola ary ny famarotana ireo vokatra.
Haharitra dimy volana ny fiofanana ary ho maimaim-poana fa tsy misy sarany. Manampahaizana manokana roa no hisahana ny fanofanana. Ireo voafantina hanaraka ny fandaharan'asan'ny Mada Craft ka mahavita ny fiofanana dia ho entanina hanolotra tetik'asa sy hiara-miasa amin'ny fikambanana mpampindram-bola madinika.




Tsena Pochard
Velon-taraina ireo mpivarotra
Omena alalana hivarotra ivelan'ny tsena Pochard ireo mpivarotra kojakojam-pianarana. Ireo izay mamelatra entana amoron-dalana nefa enjehina.
Raha lazaina fa mizotra tsara ny fandehan'ny asa fitsinjaran-toerana ho an'ireo mpivarotra ao amin'ny tsena Pochard amin'izao fotoana izao, dia raharaha hafa indray no mampitaraina azy ireo ankehitriny.
Eo amin'ny fitondrana azy mpivarotra no nosoritan'izy ireo fa fototr'izany, satria misy ny karazan'ireo mpivarotra, toy ny mpivarotra kojakojam-pianarana, no omena tombon-dahiny manokana : navela hivoaka ny faritry ny tsena, hamelatra ny entany eo amoron-dalana.
« Ny mpivarotra amoron-dalana aza esorina, alaina ny entany, nefa dia ny efa manan-toerana ato anatiny indray no omena alalana hanao izany. Mba samy te-ho eny an-dalambe daholo ny mpivarotra rehetra », hoy izy ireo.
Namaly izany ny lehiben'ity tsena Pochard ity izay vaovao ihany koa amin'izao fotoana izao, Randrianasolo Fidèle. Nosoritany fa noho izy ireo ratsy toerana ao anatin'ity tsena ity no antony nanomezana alalana azy hivoaka ety ivelany. « Efa nanao fangatahana taty aminay izy ireo ary nankatoavin'ny delegen'ny tsena sy ireo mpivarotra sasany », hoy izy. Notsindriany fa tsy mandavan-taona ihany koa ireo mpivarotra kojakojam-pianarana ireo no ho eo fa mandrapiditry ny mpianatra ihany.
Mifanohitra
Ny talata teo moa ireto mpivarotra ireto no nanomboka nivoaka teo ivelan'ny tsena ary nisy mihitsy ny fifamaliana fiadian-toerana tamin'izy ireo tamin'izany, satria samy te-hanana toerana mivelatra.
Araka izany toa manao lalàna ho azy ny delegen'ny tsena Pochard, amin'ny fanomezana alalana ireo mpivarotra kojakojam-pianarana hivarotra ivelan'ny tsena.
Ny kaominina Antananarivo-renivohitra anefa manao haza lambo ireo mpivarotra amoron-dalana. Alaina mihitsy aza ny entan'izay tratra.
Tsy mahagaga raha velon-taraina ireo mpivarotra sasantsany. Ny mivarotra eny an-dalambe mantsy akaiky ny mpividy ary mandeha kokoa ny tsena.





Football - Madagascar-Botswana
Feuille de match
Stade : Mahamasina
Pelouse : moyenne
Température : 27°C
Public : 10 000
Madagascar - Botswana : 1-0
Madagascar :
Jean Chrysotome Raharison, Mamy Gervais Randrianarisoa, Jean Tholix, Urbain Andriamampionona, Eric Julien Rakotondrabe (cap), Thierry Ratsimbazafy, Guy Hubert Mamihasindrahona, Paulin Voavy (Jean de l'Or Tsaralaza 88e),Yvan Rajoarimanana (Rija Juvence Rakotomandimby 84e), Claudio Ramiadamanana, Praxis Rabemananjara (Tovohery Rabenandrasana 70e).
Buteur : Praxis Rabemananjara (20e)
Avertissement : Eric Julien Rakotondrabe (carton jaune, 65e)
Botswana :
Modiri Marumo (cap), Mompati Thuma, Michael Mogaladi, Mosimanegape Ramoshibidu, Boitumelo Mafoko (Tshepo Motlhabankwe 46e), Mogogi Gabonamong, Abednico Powell, Joel Mogorosi, Dipsy (Nelson Gabolwelwey 46e), Dirang Moloi, Mpho Mabogo.
Officiels :
1- SEECHURN Rajindraparsad, inspecteur des arbitres (Maurice)
2- CHANGEA Sanjaye, arbitre central (Maurice)
3- BOOTUN Balkrishna, arbitre assistant (Maurice)
4- SEETHIAH Ram, arbitre assistant (Maurice)
5- MASEMBE Charles, arbitre assistant (Ouganda)
6- ERNESTA Dolor Camille, commissaire de la Caf (Seychelles)
7- MEDJIBA Rachid, officier de sécurité (Algérie)





Ny teny malagasy :
teny enti-mampianatra ny taranja siantifika
Niteraka ady hevitra lava ary mbola mitohy eo amin'ny haino aman-jery sy eto amin'ny firenena ny fanambaràn'i Rtoa Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Mahajanga tamin'ny volana Jolay 2008 momba ny fampiasana ny teny malagasy eo amin'ny fampianarana.
Ny antony mety nahatonga an'izany dia ny tsy fahampian'ny fanazavàna avy amin'ny Fanjakana sy ny tsy fisian'ny fifanakalozan-kevitra mialoha amin'ireo ankolafin-kery voakasik'ity raharaha lehibe ity : fikambanan'ny Sekoly tsy miankina, Firaisamonina sivily na fikambanana ara-kolontsaina, ohatra.
1 Tanjona
Iombonana ny tanjona voatondro ao amin'ilay Lalàna N° 2008-011 tamin'ny 17/08/2008 navoakan'ny Ministeran'ny Fanabeazana sy Fampianarana ary Fanofanana manavao ny rafi-pampianarana dia « ny ampakarana ny firenena ho anisan'ny firenena mandroso eran-tany nefa koa mitazona ny fahendrena nentim-paharazana ».
Izany fandrosoana izany dia azo avy amin'ny fifehezana ireo fahalalàna sy fahaiza-manao entin'ny siansa sy teknolojia, miteraka famokarana mahomby kokoa sy tsara kokoa eo amin'ny sehatra maro : fambolena, fiompiana, taozavatra, indostria, kolontsaina sy maro hafa.
Mba hanatrarana izany tanjona izany no anavaozana ny rafi-pampianarana : ilaina ny mampita ireo fahalalàna sy fahaiza-manao siantifika sy teknika ireo amin'ny fampianarana ny taranja antsoina hoe «taranja siantifika sy teknolojika », fampianarana atao dieny any amin'ny Ambaratonga Fototra EF1 (T1-T7) sy Ambaratonga Fototra EF2 (T8-T10), tohizana any amin'ny Ambaratonga II (T11-T12) sy manaraka.
Fanazavàna : ny antsoina hoe « taranja siantifika sy teknolojika» dia : ny taranja matematika (aljebra, aritmetika, jeometria, trigonometria, sns...), ny taranja siansa fizika (fizika, shimia,...), ny taranja siansin'ny zava-boary, ny taranja teknolojika samihafa, ...
« Mahazo fahalalàna sy fahaiza-manao tsara fototra, mafy orina, azo ampiharina eo amin'ny fiainana andavandro ny mpianatra ».
« Tsy very intsony ny fahaizan'ny ankizy mamaky teny sy manoratra ary manisa », hoy ny Ministera.
2 Misy olana ve ?
Maro tokoa ireo olana eto amin'ity sehatry ny fampianarana ity, ohatra : tsy fahampian'ny mpampianatra, tsy fahaizan'ireo mpampianatra sasany ny teny frantsay'ny fandaharam-pianarana, ny karaman'ny mpampianatra FRAM ambany loatra, fiovaovan'ny fomba fampianarana, ny teny malagasy, ny fampiasana ny teny frantsay, tsy fahampian'ny trano sekoly, tsy fahampian'ny boky fianarana amin'ny teny malagasy, tsy fahampian'ny vola, ...
Ny ifantohan'ny ady hevitra ataon'ny maro sy eo amin'ny haino aman-jery aloha hatramin'izao dia ny teny malagasy : momba ny teny malagasy amin'ny maha teny azy ve sa momba ny fampiasana ny teny malagasy eo amin'ny fampianarana ?
Solonavalona Andriamihaja




« Tsy homeko anao ny tanindrazako »
Tamin'ny Zoma faha-5 n'ity Serptambra ity dia nisy Fanambarana toy izao :
« Eo anatrehan'ny zava-misy eto amin'ny Tananan'ANTANANARIVO, izay miteraka savorovoron-tsaina, ho an'ireo olom-pirenena naneho ny safidiny, tamin'ireny fifidianana Ben'ny tanàna tamin'ny 12 Desambra 2007 ireny, Izahay izay manao sonia ity FANAMBARANA ity :
- Zokiolona, solombavambahoaka teo aloha,
- Ben'ny Tanànan'Antananarivo sy Tompon'andraikitry ny Kaomina teo aloha,
- olomboafidy
- fiaraha-monim-pirenena,
Dia maniry ny hisian'ny vaha-olana haingana, mba hanamafisana orina ny filaminana, ka hahafahan'ny vahoaka miaina amim-pahatoniana sy manatanteraka ny adidy manandrify azy, mba hialany amin'izao fahantrana mianjady amin'ny maro izao, sy mba hampandroso an'ANTANANARIVO, Renivohitra iombonana. ». Manao sonia olona 18 mianaka .
Ny Tanindrazana sy ny FAHALEOVANTENA no ambony indrindra ho an'ny Olombelona ary izany no antony nandavan'i NABOTA an'i AHABA mpanjaka.
Daty sy vanim-potoana efatra no lehibe indrindra nodiavin'ny Firenena malagasy hatramin'ny nanjanahan'ny Frantsay azy : dia ny 6/8/1896 nanjanahana azy, ny 29/3/ sy ny raharahan'ny 47/, ny nanaovan'ANTANANARIVO TSIA tamin'ny fitsapana hevi-bahoaka nampanaovin'ny Jeneraly De GAULLE tamin'ny 28/9/1958ny Kongresin'ny Fahaleovantena tany Toamasina tamin'ny Mey 1958/ary ity tamin'ny 5/9/ity.
Ny nampiavaka ny kongresin'ny Fahaleovantena tany Toamasina sy ity farany tamin'ny 5/9/2008 ity dia toy izao. Ireo antoko folo niara-nivory tany Toamasina dia tsy nifankahalala na nanana sori-dalana politika nifanohitra. Toy izany koa ireo olombe niara-nivory tamin'ny 5/9/2008, na tsy dia nifankahalala loatra, na azo lazaina fa « mpifahavalo ara-politika mihitsy » teo aloha nefa natambatry ny fitiavan-tanindrazana ka nahay nifampitondra toy ny mpirahalahy iraitampo. Ireo olom-be 18 niara-nivory tamin'ny 5/9/2008 teo.
Raha vao tafiditra teto ny Mpanjanatany dia fanenjehana ny Merina sy ANTANANARIVO no politikany, ny hampifandrafy ny « Zarazarao hanjakana » hiteraka ady an-trano. Nahatsapa izany politika maizina izany anefa ANTANANARIVO ka nanaja ny voninahiny sy ny adidiny maha- Renivohitry ny Firenena azy.
Tsiahivina fa izao fifampiandanian'ny Fitondrana Foibe sy ny Mpitondra ny RENIVOHITRA izao dia efa nitranga tamin'ny Repoblika faharoa. Saika hanao amboletra hamihina ny foto-drafitr'asa amin'ny kianjan'i Mahamasina sy ny eny Alarobia ny fitondrana foibe fa hoe izy hono no nanao an'ireo. Tsy nanaiky izany ny tao amin'ny fitondrana ny Tanànan'ANTANANARIVO. Nidrikina koa ny AREMA MENA MASO notarihin-dry Tompokolahy RAZAKABOANA sy ry RARIVOSON, ary ry RAZAFINDRALAMBO. Koa voatery nilefitra ny AREMA AMBOHITSIROHITRA. Nodian-dry zareo tsy fantatra mantsy ny voalazan'ny lalàna manao hoe an'ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izay rehetra ao anatin'ny faritra iadidiany sy misy azy.
Ary dia izao mipetraka ho fananan'ny Tanàna izao ireo kianja sy ny rehetra momba azy ireo izao.
Koa inona no havaly ireo olombe 18 ireo ?
Ny fahendren'ny Ntaolo manao hoe : « aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, fa ny fihavanana no fototry ny filojofia malagasy,
Ny antson'i Bandoueng tamin'ny 1955 manao hoe « Arodany izay mampisaraka fa ajoroy izay mampiray » izay mbola nampanakoin'ny Kongresin'ny Fahaleovantena tany Toamasina tamin'ny Mey 1958
Ary izao raisin'ny Mpanjaka I toko faha-21 and. 4 manao hoe « tsy homeko anao ny Tanindrazako ».
ANTANANARIVO, faha-7 SEPT. 2008
Rakotomalala Manan'Ignace
II-L-2- Andravoahangy-Tel.22 207 62.




Mamalan-kira indray i VANF
Demokrasia anelakelan-trano
Anosibe, 9 ora maraina, misy fiara mandona olona : poa toa izay, olona an-jatony, mirongatra avy any rehetra any, mihazakazaka hijery flôra. Rakotra vetivety teo ny lalana, zara raha misy hisisihan'ny fiara mandeha mitsaitsaika. Ilay mpitondra nandona tampin-dalan-kaleha araka ny fiteny. Tsy lavitra avy eo, polisy telo lahy : varian-dresaka sa malina ? Misy dia misy mantsy «quartiers» eto Antananarivo - Isotry, Andavamamba, Antohomadinika, 67 ha ary Anosibe - hanafarana manokana ny mpianatra «auto-école» rehetra fa raha sendra mahadona olona, aleo mandositra mamonjy ny «commissariat de police» akaiky indrindra sao matin'ny «vahoaka» eo !
Halako ny olona mitangorongorona : na tsy manan-katao etsy Anosibe, na mpanera eny amin'ny «Fasan'ny Karana» na mpitolona manemitra ny kianjan'ny 13 mey. Etsy Soanierana, anelanelan'ny toby miaramila roa (CAPSAT sy RTS), misy orinasa mampiasa itony «sécurité privée» itony : itangoronan'olona mandrakariva manoloana ny varavarany, tsy misy haleha ny «trottoir», voabahana hatramin'ny vavahadin'olona manodidina. Behoririka, Tsaralalàna, Ambodin'Isotry : mitohana lalandava ny fifamoivoizana noho ireo mpivarotra mifanisa amin'ny mpividy ary mbola betsaka noho ireo koa aza ny mpanera isan-karazany. Etsy Analakely, anoloan'ny «Hôtel de Ville» taloha, mpanao afera tsy hita isa, mibodo ny arcades, misambotra izay mandalo rehetra : «téléphone» ? «devises» ?
Fiara mifandona, trano may, olona maty an-drano : mailaka ny Gasy mirohotra, tsy zaza tsy lehibe, «vahoaka» tsy manan-katao. Ireo anefa no tonga mifidy ; ireo ihany koa no lamboina hoe mivelona malalaka na eny afovoan'ny arabe aza mandritra ny fampielezan-kevitra ; ireo ihany indray no korontan-dava manome sorisory ny olom-boafidy nahazo seza. Ireo no mbola atao hoe «vahoaka», ilay mpitolona nisesisesy tamin'ny 1972, tamin'ny 1991, tamin'ny 2002 : mpihaino ny kabary sy mpijery ny fihetsiketsehana an-dampihazo eo amin'ny kianjan'ny 13 mey.
Olon'ny fo, hono, mitsetsetra ny «madinika» sady mialona-matahotra ihany ny Lehibe. Ny mpanao politika be taraindraina ihany no midina an-dalambe miantsoantso ilay atao hoe «vahoaka» : zarao ny Fahefana, sokafy ny Governemanta, ny vahoaka no Andriamanjaka. Olon'ny fo, hono, mihinana amam-bolony : «tsy rariny kosa, didiko fe lehibe, jadona». Mpifidy anjambany, manao antsapaka, sady tsy mahalala no tsy mahay nefa tsy hay atoro tsy hita anarina. Manao halako bika dia tsy tiako tarehy fotsiny, rehefa tsy Mainty dia Fotsy, izay misalasala dia fahavalo.
«Vahoaka» kamboty tsy nisy nitaiza : rehefa tsy kabarin'ny mpanao kobaka am-bava dia toriteny any am-piangonana no hany kolontsainy. Fidio ny Olom-baovao raha leo ny Raikalahy taloha. Olom-baovao dia vaovao tokoa satria tsy misy foto-kevitra fantatra aminy : izany anefa tsy manakana ilay «vahoaka» hifidy anjambany. Olon'ny fo, hono, leom-boan'anana, tia vao, mitonantonana amin'ny hazo tsy fantatra. Velo-nenina faingana, arahin-datsa doria.
Sady mandrava hefa no manimba toe-tsaina ny politika an-dalambe miaraka amin'ny «vahoaka». Politika ankalamanjana, demokrasia anelakelan-trano, fanjakan'ny madinika : tangorongorona tontolo andro, rotaka mandrakariva. Tabataba, horakoraka, savorovoro, tsihibelambana, dia mifandrorona am-pitoerana eo. Tandremo, fadio, sanatriavo.




Taxes exagérées
J&#039;ai envoyé un colis en colissimo de France vers Tana, réf : CC 4790 0084 0FR.
Ce colis est bien arrivé à la Paositra, mais les taxes demandées sont trop élevées par rapport à la valeur de ce colis.
Une première demande de 310 000 Ar a été formulée par le postier... Une deuxième plus raisonnable, de 3600 Ar, a été réclamée pour la réception du colis, mais les services des douanes réclament des taxes de plus de 84000 Ar, juste pour un sèche-cheveux d'une valeur de 50 euros. Et encore, je n'ai pas eu connaissance du montant des taxes demandées pour les autres produits de ce colis.
Ce n'est pas une opération commerciale, mais un cadeau!!! comme indiqué sur le bordereau. La poste française m'avait indiqué que dans le cas de cadeaux, il n'y a pas de droit de douane....
Régis Cousin




Taratasin'ny mpamaky
Ho fanajana sy ho fahatsiarovana an&#039;i Rado na Andriamanantena Georges
Pao-tsatroka
Fa misatroka aho
dia mipaoka izany
Miondrika amy tany
Ho fanajako anao
Noho ny Asanao
In-telo,im-pito,impiry?
Fa...ASA MAKADIRY
FA ts'izaho irery
No atrika fijery
Mibanjina anao
F'izao tontolo izao
Dia ny Firenena
Manovo Fahendrena
'Ndreto re 'zahay
Mikambana,miray
'Ndreo mipaorozenitra
Satria tojo Fenitra
'Ndreto re 'zahay
tremalahy na bado
Mankalaza anao,misaotra
anao fa RADO n'
NY Firene-mitoetra
Ny Firenen-drehetra
IANAO
'Ndreto re 'zahay na lahy
ireo na vavy
Ny ankohonankely,'ndreo ny mpianakavy
Tojo anao izay sitraka
Ka dia mankasitraka
'Ndreto re 'zahay na
kamolahy na mpiasa
Eny hatramireo namadika ny rasa
Misaotra anao 'lay telina
Ka dia mankatelina
'Ndreto re 'zahay tanora sy ny zaza
Hatramireo mpitondra,
mpitolona malaza
Misaotra anao tokoa
Misaotra eram-po.
Tovozin-tsy ho ritra
Toy ny loharano
Ny Asa Soratrao
Hery,Aina vao
DINITRA sy ZO
SEDRA ihany koa
S'izay tsy voatanisa
K'anjarany ny sisa..
Fa misatroka aho
dia mipaoka izany
Miondrika amy tany
Ho fanajako anao
Noho ny Asanao
Ratsimaholy Francinet
Ho an'i Dadabe Rado
Tsy maintsy hamoron-tononkalo
ho an'i Dadabe
ho enti-mahatsiaro,
ho enti-mankatelina
ireo asa marobe
iray dia marenina
nataony ho an'ny Malagasy
s'izao tontolo izao.
Tsy maintsy handray penina,
handray taratasy
aho izao anio izao
ho an'i Dadabe.
Misaotra be dia be
fa taminao no hay
izany fiharetana zava-mahamay
ka tsy manaiky hifona
na inona midona.
Taminao no hay
izany fihafiana ny
mafy sy antsojay
ka mankahery tena
tsy manaiky hivena.
Ianao no nampianatra
ho tia firenena,
ianao no nampianatra
hahay hanetry tena,
ianao no nampianatra
ho tia fihavanana,
ianao no nampianatra
hahatsiaro namana,
ianao no nampianatra
ho tia sy ho sahy
hanavotra sy hanampy ireo rahalahy.
Taminao no hay
izany fitiavana sy fanajana ray,
izany fitiavana sy fanajana reny,
taminao no hay
ireny rehetra ireny,
izany fitiavana sy fanajana vady,
izany fihafiana sy fahaizana mitady
izay hahasoa ny ao an-tokantrano
na inona fanonja sy fitosaky ny rano.
Zava-marobe no hay taminao
"Ny fananana finoana amin'izay atao
ny fifikirana amin'i Jesoa,
ny fananana herin-tsaina, ny fananana herim-po
mba hiady hatrany ho
an'ny firenena
hikatsaka ny rariny, hahazoany fandresena".
Tsy tamboko isaina
tsy tamboko lazaina
ny zava-bitanao.
Mino mihitsy aho f'izao
tontolo izao
miaraka misaotra noho ireo asa marobe
izay tontosanao tamin-kerim-po sy tamim-pitiavana.
Na kely na lehibe
na ny ambony, na ny ambany
na ny eto an-tanindrazana
na ny am-pita any
dia miaraka misaona, miara-mitomany
DADABE RADO,
Miondrika aminao ny mpiray tanindrazana
S'izao tontolo izao.
RAKOTOMALALA Rivoniaina Rija
16 septambra 2008
10 ora -12 ora atoandro




Voninkazo miandry baiko
Voninkazo miandry baiko...
An-tany efitra sy ngazana,tsisy zava-maitso mihitsy
no mamelana mitokana itsy voninkazo itsy.
Ambara hoe « adaladala », nefa tsy izany loatra
f' izy mantsy miandry baiko : ny sitrapon' Ilay Mpamboatra.
Mbola misy fofo-manitra izay ilaina apariakany
mbola misy hazavana izay andrasana aparitany
mbola misy hiram-bony izay irina hovetsoiny
izay izy vao laingosana, ka hitsahatra famony.
Samoela RAZAFINDRAKOTO
16 septambra 2008




Maty Ilay Tantely
Andrarezina no lavo...
Andrarezina no lavo
Namela foana ilay kianjan'
Ny literatiora nampiravo
... Indrisy maty ilay Mpiantsa
Mpitari-dalana no very
Sahy namoha ny olona
Hamaha ny geja izay nanery
... Indrisy maty ilay Mpitolona
Mpino no nitsahatra
Nivahiny toa anjely
Ny sanganasany haharitra
... Indrisy maty ilay Tantely
16 septambra 2008
Ny Kanto
Lavo ny andrarezin'ny Literatiora malagasy, midera ny sanganasa sy ny Mpanoratra Rado manontolo.
Nahavita be ho an'ny tenintsika sy ny tantaram- pirenentsika tokoa izy.
Fabien Gaston RAZAKANDRAINIBE, PhD




Tourisme
Air France va aider la destination Réunion
Un peu plus de 700 000 euros : voilà le montant relativement important qu'Air France va consacrer au développement touristique de la Réunion. L'accord a été signé la semaine dernière à Top Résa entre Pierre Vergès, le président de l'IRT, et les dirigeants de la compagnie nationale.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Miaramila nanendaka mpitarika posy. Vola mitentina hatrany amin'ny 400 000 ariary no indray norobain'ny jiolahy tamina mpitarika posy iray, tao an-tampon-tananan'i Toliara, omaly alina. Ny fahatrarana ny iray tamin'izy ireo no nahafantarana fa miaramila avokoa ireto nanendaka. Enin-dahy ry zalahy no indray niara-dia tamin'izany.
Olona valo notanana am-ponja. Olona valo no indray notanan'ny Fampanoavana am-ponja, omaly, tamin'ilay fangalarana kojakojan'ny helikopteran'ny filoham-pirenena teny amin'ny toby miaramila BANI Ivato. Miaramila ny roa tamin'izy ireo.
Vehivavy roa nilaza ho mpitsara. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireto vehivavy roa nisandoka ho mpitsara. Ireo olona manana fianakaviana migadra eny am-ponja no jokoin'izy roa amin'izany, ampiresahany dia lazainy fa mahatafavoaka olona eny am-ponja izy.
Trano nirehitra. Trano tsy misy olona no nidedaka tampoka tao Ambohidratrimo, afak'omaly maraina. Voatery novakiana ny trano namonoana ny afo.
Nangonin'i




Toliara
Renim-pianakaviana voatifitra
Maty notifirin'ny jiolahy, omaly alina tokony ho tamin'ny 10 ora tany tao Besakoa, ny rafozam-bavin'i Gilot na Zafera Gilbert. Ity farany ity moa no tompon'ny trano fandihizana Zaza Club sy ny Radio Soleil ao Toliara.
I Gilot izay niaraka tamin'ny zaodahiny antsoina hoe Christophe, no notafihin'ireo jiolahy tamin'io fotoana io. Saingy nipoitra tampoka avy tany an-tranony ilay renim-pianakavian, no notifirin'ireo jiolahy. Hitsena an-janany mantsy no tena anton-dian'ity vehivavy ity tamin'io fotoana io. Nefa dia fahafatesana tampoka no hitany.
Tsy tazany avy tao an-trano mihitsy ireto zanany efa tafihin'ny jiolahy. Fa vantany vao nijanona teo anoloan'ny trano ny fiaran-janany dia iny izy nilomay nivoaka ny trano.
Avy nitsena an'ny zaodahiny, izay avy aty an-drenivohitra, tao Sanfily i Gilot tamin'io fotoana io, ka teo am-panaterana an'ity zaodahiny ity izy no voatafika.
Tsy hay na efa nandra-san'ireo jiolahy teo am-bavahadin'ny trano ny figadonany fa raha vantany vao nidina ny fiarany izy ka andeha hanidy azy, no tonga dia notomorin'ireo jiolahy roa, nambanany basy, ary nasainy nanala ny firavaka volamena teny aminy sy nanome azy ny entana teny an-tanany.
Niezaka ny nanohitra, nifampitolona tamin'ireo jiolahy i Christophe, zaodahin'i Gilot, raha nahita izany. Saingy na nilatsaka aza ny basin'ilay jiolahy iray, ny basy teny am-pelatanan'ilay faharoa kosa tsy afany. Nifampitolomana teo iny. Kanjo nirefotra tampoka ary avy hatrany dia niantefa teny amin'ilay reniny izay nentanin-kafaliana hitsena azy ireo. Voa teo amin'ny hatony ilay renim-pianakaviana, izay efa lehibebe ihany satria manodidina ny 70 taona any, ary nitambotsitra teo.




Varotra
Fary lanjaina amin'ny hazo
Hafa kely indray ny fitondrana ny fary amidy. Atao anaty haron-kely, efa vita tetika madinika ary lanjaina.
Fihetsika hafa kely indray tato ho ato no entin'ireo mpivarotra mitondra fary amidy eny an-tsena. Tetitetehina madinika ny fary dia atao anaty harona « cellophane » kely ary ahantona amin'ny tsivalan-kazo dia lanjaina entina mandehandeha.
Tsy olon-dehibe, tsy ankizy, tsy zaza satria misy dia misy tokoa ny mbola kely, manodidina ny fito taona eo, no manao izany fomba fiasa izany. « Sady ahazakana betsaka izy amin'izay no mba afaka mandehandeha rehefa mivarotra azy », hoy ity zazalahikely iray.
Entana mora lany
Tsy fantatra izay olona nipoirana sy nanoro azy ireo an'ity fihetsika ity, fa dia saika raikitra manao izany daholo izy rehetra. Tsy misy intsony ny mitalapetraka manoko ny entam-barony eny amoron-dalana na eny an-tsena. Ny mpivarotra amin'ny tahony sisa no maka toerana eny an-tsena, fa ny mpitetika, lasa mandehandeha avokoa milanja ny entana.
Miainga any Anosibe ity tovolahikely ity, raha ny fanazavany, mitondra izany ary mitety faritra maro eto an-drenivohitra mba hivarotra azy. Tsy mandeha lavitra anefa fa eo Anosy, Mahamasina, Analakely, Ampefiloha eo ihany. Izay no vita dia lany ny entana. « Rehefa andro tsena toy ny eo Mahamasina, dia tsy mandeha lavitra fa eo ihany dia tapîtra ny fary », hoy ihany ilay zazalahy kely. Fary eo amin'ny 100 haron-kely eo no indray lafony amin'izany, araka ny fanazavany. « Zato ariary sy roanjato ariary ihany no vidin'ny fary iray haron-kely ».
Diman-jato ariary ka hatramin'ny fiton-jato ariary no vidin'ny tahom-pary iray amin'izany, izay nambarany fa vidiana, eny Anosibe.
Raha ny fanazavan'ity tovolahikely ity ihany moa dia mba karazany fitadiavam-bola kely ataony mandritra ny andro fialan-tsasatra ity famarotana fary mandehandeha ity.
« Miovaova ny entana amidinay, arakaraka ny zavatra sy vokatra misy. Ny fary no vokatra amin'izao fotoana izao dia io no amafisinay », hoy izy.





Tsaralalàna
Lehilahy maty voatifitry ny polisy
Lehilahy iray indray izay voalaza, araka ny tatitra nampitain'ny sampana fifandraisana eo anivon'ny polisim-pirenena, fa jiolahy no maty voatifitry ny polisy teny Tsaralalàna tamin'iny lalana Petite Vitesse iny, omaly maraina tokony ho tamin'ny 10 ora. Bala efatra no indray niantefa teny amin'ny vatany ka nahafaty azy. Teo amin'ny saokany, ny tendany, ny fihirifany ary teo amin'ny kibony.
Raha ny fanazavana nomen'ny tao amin'ny polisim-pirenena dia tamin' andian-jiolahy malaza amin' ny asa fanendahana sy sinto-mahery izy ity. Ka efa nifampitaritarika teny akaikin' ny hotely lehibe teny Soarano no nohenjehin'ny polisy. Nanambara ny teo anivon'ny polisim-pirenena fa nisy fifanjevoana teo amin'ireo polisy nisambotra sy ireto jiolahy ka nahatonga izao fitifirana namoizana aina izao.
Hafa mifanohitra amin' izany anefa ny fanazavana nomen'ny fokonolona sy ireo mpivarotra teo amin'ny manodidina satria nambaran' izy rehetra ireo fa efa teo am-pelatanan'ireo polisy ity jiolahy ity, tsy namaly na nanohitra, no notifiriny. «Roalahy izy no nentin'ny polisy tamin'io satria ny iray fanintelony tafatsoaka teo ihany. Notreronin'ilay polisy aloha ity voatifitra ity hoe : «Mbola hamaly ialahy ?» Tsy namaly anefa izy. Tampotampoka teo, nofahanan'ilay polisy nitondra azy ny basiny dia notifiriny ilay lehilahy. Nitolefika izy ary mbola narahiny notifirina intelo indray».




Tsena Soamanatombo
Manjary misy ady toerana
Mitady hiseho lany ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ny antsonjay atao amin'ny mpivarotra.
Raha nisy tsena azo noderaina teo amin'ny fizaran-toerana teto an-drenivohitra, satria tsy mba nandrenesana fimenomenonana na fitarainana avy tamin'ireo mpivarotra, dia ny tsenan'i Soamanatombo izany. Iray volana sy tapany aty aoriana anefa, nipoitra ny olana.
Nanjary nisy ny ady toerana. Mpivarotra entana iray, kojakoja samihafa toy ny radio, kofehy, haingom-behivavy..., Andriamparany Lalao Albert, no niharan'izany. Miady toerana amina mpivarotra iray hafa.
Izay voasoratra ihany
«Nampanantsoin'ny lehiben'ny tsenan'Anosibe aho ny alatsinainy teo ary nilazany am-bava ny hampiatoako ny fivarotako noho ny fisian'io ady toerana io», hoy Lalao Albert. Nosoritan'ity mpivarotra ity anefa, ary nohamafisin'ireo mpivarotra marobe sy ny delegen'ireo mpivarotra ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo, Raolison Fidelis, fa ity Andriamparany Lalao Albert ity no nivarotra tao Soamanatombo hatramin' izay, na tamin'ny tsena tsy mbola namboarina na izy nafindra teny akaikin'ny Motel Anosy.
«Mpivarotra avy any ivelany, efa an-taonany maro tsy nivarotra teo Soamanatombo io miady toerana aminy io», hoy Raolison Fidelis.
«Navoaka peta-drindrina ny anaran'ireo mpivarotra hahazo toerana tato amin'ny tsena. Navoaka ny karatra natrehin'ny vadin-tany sy ny polisy. Nantsoina izay rehetra manana olana momba izany. Nefa tsy nisy nanakiana ny raharaha. Izao vao hoe misy mipoitra ho tompon'ny toerana», hoy ny delegen'ny mpivarotra, nanindry ny fandehan'ny raharaha tao Soamanatombo.
Toa nanamafy izany ny talen'ny tsena monisipaly, Razafindrakoto Hasina, raha nilaza fa ny zava-boasoratra ihany sy ny fepetra noraisina hatramin'izay no tsy maintsy hajaina, mba ho fanajana ny zon'ny mpivarotra.



3367midi-mg-003927-5933-08072008 Un appel aux bailleurs de fonds
Walter Kalïn
Un appel aux bailleurs de fonds
Le représentant spécial du Secrétaire Général de l'ONU, Walter Kalïn, a déclaré, lors d'une conférence de presse qu'il a tenue, au MAE, qu'il fera appel aux bailleurs de fonds et à la communauté internationale afin de soutenir les autorités malgaches pour faire face aux catastrophes naturelles. Etant donné, a-t-il mentionné, que Madagascar est un pays confronté à des cataclysmes naturels tels que les cyclones et les inondations. Selon le SG, il s'avère nécessaire d'assister les personnes confrontées à ces catastrophes en répondant aux besoins immédiats des démunis. Cependant, le représentant se réjouit du fait qu'une réforme des institutions chargées de la réponse d'urgence aux conséquences des catastrophes naturelles ait été mise en oeuvre, en particulier la réorganisation du BNGRC. Il a également apprécié le rôle important que joue le système des Nations Unies en appuyant la capacité de la réponse locale et la coordination des acteurs humanitaires. Walter Kalïn a aussi recommandé que les capacités opérationnelles soient renforcées aux niveaux régional et local. 
Recueillis par Dominique R. 
Politique 

3370midi-mg-003931-5937-08072008 Vehivavy maty, novonoina tao amin'ny &quot;bal&quot;
VOHEMAR. Nitsoaka tany amin'ny zandary ilay lehilahy nahafaty olona. Romotra ny vahoaka ka nitora-bato ny biraon'ny borigady.
Vehivavy maty, novonoina tao amin'ny bal
Vonoan'olona niseho tao Ampanefena - Vohémar ny alin'ny sabotsy teo. Lehilahy iray no namono vehivavy ary tapitra ny ain'ity farany. Nitsoaka tany amin'ny biraon'ny zandary izy avy eo. Romotra noho izany ny fokonolona ka nitora-bato ny biraon'ny zandary.
Ny alin'ny sabotsy lasa teo dia nisy alim-pandihizana tao amin'ny tanana iray antsoina ho Ampanefena, tany Vohémar ary nisy olona nifamono tamin'izany. Tsy fantatra mazava izay niatombohan'ny adin'ireto olona roa ireto, fa izy ireo efa mifamono no hitan'ny olona. Nodarodarohin'ilay tovolahy ilay vehivavy ary tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy. Raikitra ny fifanenjehana ka nandositra namonjy ny biraon'ny borigadin'ny zandary ilay lehilahy nahafaty olona. Nangatahin'ny fokonolona havoaka anefa ilay lehilahy saingy noho ny fiarovana ny ainy dia tsy navelan'ny zanadry hivoaka. Ny olona rahateo efa romotra ka inoana fa tsy maintsy ho maty teo io.
Tezitra
Tezitra noho izany ny fokonolona ka raikitra ny tora-bato. Nanamparan'izy ireo ny fony teo ny biraon'ny zandary. Nisy mihitsy aza ny nanapotika ny trano. Tetsy andaniny anefa niezaka nandamina ihany ny zandary. Nitony ihany ny fokonolona nony farany.
Efa misy fanadihadiana misokatra amin'izao fotoana izao. Ny voalohany mikasika ilay vonoan'olona, ny faharoa kosa mikasika ny fanimbana ny biraom-panjakana. Efa nampitandrina mantsy ny ao amin'ny zandarimariam-pirenena fa tsy hanaiky lembenana amin'ny fanafihana ny tobiny ka ho hita eo ny ho tohin'ny raharaha. Ilay tovolahy nahafaty olona kosa amin'izao fotoana izao, araka ny vaovao azo farany, dia nalefa any Sambava mba hofotorana sy ho fiarovana ny ainy.



3370midi-mg-003932-5938-08072008 Fanolanana sy fanodikodinana tsy ampy taona
Antsirabe
Fanolanana sy fanodikodinana tsy ampy taona
Fanolanana sy fanadikodinana zaza tsy ampy taona no niseho teto Antsirabe. Ny voalohany, teny Antongoarivo. Raimpinakaviana iray no nikasa hametaveta zazakely 8 taona. Nofitahin-drangahy io zaza io. Efa mifankahalala ela ny fianavian'ity ankizy ity sy ilay lehilahy. Soa ihany anefa fa tsy mbola nahavita na inona na inona ilay angahy no tratran'ny zazany niampofo ilay zaza. Efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha.
Ny fametavetana faharoa niseho teny Andrefan'ny STAR. Tovolahy 17 taona no nanolana zazavavy 14 taona. Nirahina nantsaka ity anikivavy ity. Io fotoana io no nohararaotin'ity lehilahy. Rehefa vita ny filan-dratsiny dia lasa nandositra izy.
Fa tranga hafa koa no nisy teny Mahazoarivo. Tsy hita nandritra ny telo andro ny ankizy vavy 16 taona. Nisara-panambadiana moa ny rainy sy ny reniny. Afaka telo andro taty aoriana anefa dia nisy tovolahy 24 taona nanatitra azy tany amin'io rainy io. Tsy nanaiky ilay rangahy fa notoriany avy hatrany ilay nitazona ny zanany. Tamin'ny fotoana nanateran'ity tovolahy ilay ankizy mantsy dia nilaza izy fa tany aminy nandritra io fotoana  tsy nahitana azy io razazavavy. Raha vao nahare izany kosa ity farany ity dia nikasa hamono tena. Rehefa nentina teny amin'ny fampanoavana ny raharaha dia nomena fahafahana vonjy maika ilay tovolahy satria nanaiky ny haka io ankizy io ho vady.
Lova 


3370midi-mg-003933-5939-08072008 Tapaka ny kihony roa, vaotrobaky ny antsy ny tratrany
Vonoan'olona
Tapaka ny kihony roa, vaotrobaky ny antsy ny tratrany
Maty noho ny ratra nahazo azy ny tovolahy iray 20 taona. Tany amin'ny  tanana atao hoe Manakana tsiangaly any amin'ny kaominina Ambohimiarina II no niseho ity habibiana ity . Tamin'ny fankalazana ny faha-26 jona, nisy alim-pandihizana tao an-tanana. Raikitra ny ady. Tsy fantatra hatramin'izao ny antony. Nanaovan'ny sasany tamababe ity tovolahy namoy ny ainy ity. Tamin'ny 9 ora alina tamin'izay. Sendra ny be noho ny vitsy ka tsy nahatohitra mihitsy. Nisy lavaka be teo amin'ny tratrany. Tsy fantatra na antsy na famaky no namelezana azy. Tsy vitan'izany, nokapaina ka tapaka niala ny kihony roa.
Nandeha avy hatrany ny fisamborana. Olona efatra no voarohirohy amin'ity raharaha ity.
Mamo
Lehilay iray 28 taona ihany koa no voarohirohy tamin'ny famelezana tamin'ny antsy ny rangahy 35 taona. Mbola tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ihany no niseho izany tany amin'ny tananan' Ambodiandy any Anosiparihy. Soa fa mba avotra ihany ny ainy. nandritra ny alim-pandihizana no nisy ity tsatoka antsy ity. Voalazan'ny vaovao fa lonilony efa ela no anton'izao zavatra izao. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy ary notazonina tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana. Rehefa nisava ny toakany dia nanita-kevitra ny anao lahy. Lasa nandositra avy ao ami'nny toerana nihazonana azy. Hatramin'izao dia mbola tsy hita izay nalehany.
Amin'ny andro fety sahala amin'izao dia tsy ilaozana adiady madinika ny lanonana. Tsy azo ekena kosa anefa raha miafara amin'ny fahafatesan'olona izany.
HAR 


3370midi-mg-003934-5940-08072008 Tapatapany
Tapatapany
 - Antsirabe, halatra moto. Tamin'ny alin'ny sabotsy hifoha alahady, nangalarin'ny sasany ny moto iray teo antokotanin'olona tao Ambalavato. Mifefy tamboho avobe anefa ity trano ity saingy nolavahan'ireo mpangalatra io tamboho io. Teo  ry zalahy no niditra ary teo ihany koa no navoakany ny moto. Olona roa no nosamborina ary hadiadiana any amin'ny polisy.
 - Antsirabe, trano may. Omaly tokony ho tany amin'ny 1 ora folakandro, nirehitra ny trano fanamboarana kodiarana teny amin'ny Route d'Ambositra. Kila tsy misy azo noraisina ny tao anatiny. Tsy nisy olona tao an-trano. Nifindra tamina trano lehibe iray ny afo ka zara raha avotra ny fahitalavitra. Tao amin'ny orinasa SACIMEN no nitarihana ny rano namonoana ny afo.
 - Sambava, vavy antitra jamba nisy nanolana. Vevivavy lehibe iray 75 taona ary jamba no nisy nanolana tamin'ny alakamisy lasa teo. Nikiakiaka niantso vonjy ilay rafotsy. Tonga namonjy azy ny zanany. Raha nahare ny fahatongavan'ny olona ilay tsivalahara dia nitsoaka nandositra. Nentina tany amin'ny dokotera haingana ilay ramatoa lehibe. Naratra ny maha vehivavy azy.
Lova/M.A 


3379midi-mg-003944-5955-09072008 Mpangalatra mitana ody mahery, tsy misy tady mahatana azy
SAMBAVA. Manana fahaizana tokoa ny zanak'olombelona. Ny indro kely anefa, ampiasaina amin'ny zavatra ratsy izany matetika.
Mpangalatra mitana ody mahery, tsy misy tady mahatana azy
Voasambotry ny fokonolona omaly ny mpangalatra iray tao amin'ny tanàna atao hoe Antanifotsy I, Sambava. Rehefa tratra ity lehilahy ity dia nofatorana tamin'ny tady. Avy eo nohidiana tao anaty efitrano iray an'ny fokontany. Akory anefa ny hagagan'ny tomponandraikitra raha niverina haka azy ho fotorana fa tsy hita izay najavonany. Izany hoe afaka nandositra ny anao lahy. Ilay tady namatorana azy sisa no navelany teo. Ny varavarana tsy vaky ary mbola nihidy.
Notana fady
Tsy nipetraka fotsiny anefa ireo tomponandraikitra ireo fa nandrindra ny fikarohana azy. Nody ventiny ny rano nantsakaina. Hita tany an-tranona vehivavy iray izy. Tsy rotitra akory izy fa dia nanaraka izay baiko nomena teo. Lasa saina ihany anefa ireo hisambotra azy fanindroany. Nisy ny nahatakatra ny fahaizany. Matoa izy afaka mamaha tady sy mandositra avy ao anaty trano mihidy dia manana ody mahery. Misy araka izany ny fanotana fady tsy maintsy natao. Nalaina ny silipon'ilay vehivavy nampiantrano azy. Io no nasaina nanaovany. Raha vao tafiditra io dia nalemy ary tsy afa-nihetsika intsony ranamana ary azo nofatorana sao aman-tsara. Maro dia maro ny karazana ody hita aty amintsika izay ampiasain'ny olon-dratsy. Manomboka amin'ny mpangalatra omby ka hatramin'ny mpangarom-paosy, mampiasa ody avokoa. Samy manana ny fadiny anefa ireny. Misy amin'ireny mpangalatra ireny no tsy voatanan'ny rojo vy mihitsy. Raha fatorana fandrotrarana anefa izy, mitomany toy ny zazakely ary tsy afaka mihetsika. Io izany no fanotana fady ny ody any aminy.
Mamy A. 


3379midi-mg-003945-5956-09072008 Lasa fitadiavam-bola ny  barrière 
ANKATSO
Lasa fitadiavam-bola ny  barrière 
Miteraka fimenomenonana ho an'ny olona mpandeha eny Ankatso amin'izao fotoana izao ny afitsok'ireo mpiambina vavahady eo amin'ny barrière. Tsy amelan'izy ireo izay olona mandalo eo raha tsy  mametraka kely . Misy aza ny asainy miverin-dalana mihitsy raha vao tsy manome vola na sigara. Isaky ny hariva, manomboka amin'ny 4 ora sy sasany eo ry zalahy no eo ary any amin'ny 10 ora sy sasany any izy no miala rehefa tsy dia misy olona firy intsony. Tsy vitan'izay fa saika efa mamo avokoa ireo mpiambina ireo amin'izany ary mifamaly amin'izay rehetra miditra eo. Ny  taxi  sy ny fiara vaventy no tena mahita faisana amin'izany. Marina fa manao ny asany izy ireo, fa na izany aza, tsy tokony hatao fitadiavam-bola sy hilana vaniny. Raha tena miambina marina izy ireo tokony ho eo 24 ora amin'ny 24 ora, fa tsy matory rehefa mihavitsy ny mpandalo. Ary tsy ny eo amin'ny vavahady ihany no ambenana fa ny manodidina rehetra. Amin'izao fotoana izao anefa mirongatra ny halatra auto radio ao amin'ny parking eny amin'ny fonenan'ny mpianatra. Tokony ho jeren'ny tomponandraikitra haingana izao raharaha izao fa manimba ny endriky ny oniversite.



3379midi-mg-003946-5957-09072008 Manjaka ny mpanendaka
Anjanahary
Manjaka ny mpanendaka
Tao anatin'ny herinandro maro izao, mirongatra ny hala-botry sy ny endaka eny amin'ny faritra Anjanahary, indrindra raha vao manomboka maizina ny andro. Ireo mpiasa hamonjy fodiana no tena lasibatra. Maizina ny lalana noho ny tsy fisian'ny herinaratra amin'ireo hazon-jiro. Manao izay ho afany ny tomponandraikitry ny fokontany amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fanazavana ny lalana. Izany hoe, efa nanao ny anjarany nividy ampoule ry zareo. Rehefa nampilazaina anefa ny Jirama amin'ny fametahana izany, dia tsy mbola nisy mpiasa avy ao tonga hatramin'izao. Manao ny taratasy fanairana nalefa amin'ny ambaratongam-pitondrana rehetra ny ao amin'ny fokontany.
Tsy amin'ny hariva ihany fa na antoandro koa dia mamely ry zalahy ny andro sabotsy sy alahady. Mangina tsy misy mpandeha firy ny elakela-trano dia io no araraotiny. Ny finday no tena karohan'ireo mpanendaka. Tsy avelany koa anefa ny poaketra, raha vehivavy no sendra azy ireo.
Ankoatra izany, manomboka mangalatra ireny disjoncteur amin'ny tranon'olona ireny koa ireo mpangalatra. Tamin'ny alin'ny alatsinainy hifoha talata, tokantrano iray no voa. Lasan'ny olon-dratsy io fitaovana iray io. Maizina tsy nisy jiro ny tao an-trano. Tsy fantatra marina anefa na io zavatra io no tena nagalarina na tetika fotsiny hanaovana izay tsy hisian'ny jiro mba hahazoana mandroba ity niseho ity.



3379midi-mg-003947-5958-09072008 Tapatapany
Tapatapany
 - Vontovorona. Olona roa maty. Nivarina tany anaty hantsana ny fiara iray nitondra olona maro avy nanatitra mpangalatra telefaonina tany amin'ny mpitandro filaminana. Vokany, olona iray no maty teo noho eo, ny iray hafa kosa vao tonga tany amin'ny hopitaly dia namoy ny ainy.
 - Anosizato, lehilahy iray namoy ny ainy. Lehilahy lehibe iray no fantatra fa namoy ny ainy teny amin'ny faritra Anosizato vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Nodomina fiara be iray izy io.
 - Halatra anaty fivarotana lehibe. Tambazotrana mpangalatra any amin'ireny fivarotana lehibe ireny no efa fantatra amin'izao fotoana izao. Misy mihitsy mampiasa ankizy tsy ampy taona amin'izany. Samy manana ny anarany ireny andiana mpangalatra ireny. Misy izany antsoina hoe Lava zipo izany. Afenin'izy ireo any anaty akanjo ny entana angalariny. Vao tsy ela akory izay, nisy vehivavy lehibe iray sarona. Efa fantatry ny mpiasa ao amin'ilay fivarotana izy io. Narahina maso ka iny tokoa fa namerina ny zavatra fanaony.



3396midi-mg-003965-5979-10072008 Lehilahy iray no maty nisotro Betsa
Lehilahy iray no maty nisotro Betsa
Rehefa avy nisotro betsa ity lehilahy iray, izay tokony ho eo amin'ny  53 taona ity, izay avy any Betsomanga, ka handeha hividy omby tany Fotsialanana Kaominina ambanivohitra Ambatoafo, dia ny ampitson'ny andro izay nisotroany ny Betsa izy dia tsy nifoha intsony. Olona tsy dia mba mpisotro toaka loatra moa ity rangahy ity, fa saingy tamin'io andro io izy no mba nisotro kely, ilay olona izay novantaniny tao an-toerana koa moa dia mpivarotra Betsabetsa no asany, natao tao anaty siny ny zavatra izay nositroana, ka samy nanovo izay laniny tao, efa tsy nampiasa vera intsony. Asa moa na ny toaka lany no beloatra, ka nahafaty ity rangahy ity, na mosavy, fa dia nampisavorovoro ny teo anivon'ny fianakaviany, rehefa nohamarinina kosa ny vola tany aminy dia tsy nisy ny banga, nisy olona roa raha teo moa izay niaraka taminy. Tamin'ny fanadihadiana natao tamin'ny fianakaviny moa no nilazan'izireo, fa dia hitory ilay mpivarotra Betsa izy ireo, alohan'ny fandevenana mantsy dia nilaza fa naka dokotera izireo, mbola mijanona ho tsiambaratelo hoy ry zareo ny fizahana nataon'ny dokotera, alohan'ny handefasana ny raharaha eny amin'ny tomponandraikitra, ary dia azo an-tsaina avy hatrany, fa mosavy no mety nahafaty ity rangahy ity. Ny faha 9 jiona lasa teo no nisehoan'izany tany fotsialanana.



3396midi-mg-003966-5980-10072008 Mpanampy novonoina tamin'ny fomba feno habibiana
SOAMANANDRARINY. Tsy mitsahatra ny asan-jiolahy. Tsy vitan'ny mangalatra fotsiny fa mamono olona ry zalahy.
Mpanampy novonoina tamin'ny fomba feno habibiana
Tamin'ny alin'ny talata, norobain'ny jiolahy ny  villa  iray teny Ampatsy eny Soamanandrariny. Novonoin'izy ireo ny vehivavy mpanampy an-trano iray ary nentiny ny fiara mercedès. Nampihorokoditra ireo izay nahita ny fatin'ilay ramatoa 26 taona. Tsy mitafy ny tapany ambany fa silipo fotsiny. Ny ambony no nisy akanjo. Nafatotr'ireo mpandroba ny tanany. Simba tanteraka ny endriny. Raha ny fahitana azy dia toa lanin'ny alika. Ny volony miparitaka eran'ny tokotany. Feno dian'alika mihoson-drà ny teo akaikin'ny garazy. Misy alika miisa efatra ao amin'ilay tanana.
Fiara telo no tao amin'ity tanana ity. 4X4 roa, Ford sy Mitsibushi. Nahisak'ireo jiolahy fotsiny ireo fa tsy nentiny. Ilay Mercdès ihany no lasany. Izay tena antony namonoany an'ilay mpiasa vavy tsy mazava mihitsy. Tsy fantatra kosa ny zavatra very tany an-trano tany satria efa nohidian'ny zandary ny varavarana.
Mifefy tsara ity trano ity. Efa tamin'ny volana martsa anefa ny tompony no tsy eto an-toerana fa lasa any andafy. Ilay mpanampy sy ny mpiambina no misahana ny tanana. Amin'ny atoandro, manao zaridaina ilay lehilahy ary amin'ny alina miambina. Tamin'ny talata teo, nandeha nivoaka kely ity mpiambina ity tokony ho tamin'ny 4 ora tany araka ny filazany. Niverina izy tamin'ny 6 ora. Efa nihidy ny vavahady tamin'io fotoana io. Nandona ela dia ela teo izy araka ny vaovao. Tsy nisy namoha mihitsy anefa hatramin'ny 9 ora alina. Lasa nandeha izy ka rehefa ho diva haraina indray vao niverina. Vavahady efa midanadana no novantaniny teo. Niditra ny tanana izy ary dia io zavatra mahatsiravina io no hitany.
Mirongatra ny vaky trano sy ny fandrobana isan-karazany tato ho ato. Tsy izany ihany anefa, fa mivaivay koa ny afitsoky ny mpangarom-paosy rehefa hariva ny andro. Amin'ny toerana hifanisihan'ny olona taxi-be no hamelezan-dry zalahy. Tsy miafina kely akory izy ireo.



3396midi-mg-003967-5981-10072008 Maty notsatohany hety ny vadiny
Avaradoho
Maty notsatohany hety ny vadiny
Maty notsatohan-dramatoa tamin'ny hety teo amin'ny fony ny vadiny tamin'ny alin'ny talata hifoha alarobia. Teny Avaradoho tsy lavitra loatra ny CEG no niseho ity zavatra ity.
Zavatra tsy heverina ho inona akory no nahatonga ny disadisa tao amin'ny tokantrano iray. Manan-janaka roa izy mivady, lahy sy vavy. Nikasa ny hanao famorana ilay lahy ry zareo. Araka ny vaovao re teny an-toerana anefa, tsy voaasa hanatrika izany ny anadahin'ilay vehivavy. Teo dia efa nifamaly ireo mpihoatra roalahy. Miara monina ao ihany izy ireo. Rehefa tamin'ny alina, henon'ny renin'ilty namoy ny ainy nifamaly izy mivady. Nitsahatra izany rehefa kelikely. Mipetraka ao amin'ny efitra ambadika ity ramatobe ity. Tokony ho tany amin'ny 2 ora maraina izany.
Rehefa maraina ny andro, nandeha tao amin'ny rafozam-baviny ilay vehivavy ary niteny hoe, maty notsatohako tsy nahy tamin'ny hety ny vadiko.



3396midi-mg-003968-5982-10072008 Olona efatra no indray maty
Valifaty
Olona efatra no indray maty
Olona efatra be izao no indray namoy ny ainy tany amin'ny tanana atao hoe Belalona any Antsirabe Nord Vohemar. Loza tsy roa aman-tany. Resaka valifaty no niatombohan'ny fifamonoana.
Nandeha nijery vidéo ny vehivavy iray. Toa tsy tafody an-trano izy io alina io.Ny maraina hitan'ny olona teo ivelan'ilay efitra fandefasana vidéo ny fatiny. Tsy fantatra izay antony nahafaty azy.
Ny vaovao ihany no nahalalana fa misakaiza amina vadin'olona izy io. 2e bureau no filazan'ny sasany azy. Tezitra ny rehetra ary niantefa tany amin'ny vehivavy tompom-bady ny ahiahin'ny fokonolona. Notadiavina ramatoa io fa tsy hita. Tsy nijanona teo ny raharaha ? Ilay lehilahy indray no nokarohan'ny olona ka hitany. Avy hatrany dia novonoin'ny fokonolona ilay izy ary maty tsy tra-drano. Afaka elaela, hitan'ny olona ihany koa ilay vehivavy notadiavina voalohany ary dia novonoina ihany koa. Tsy nijanona teo ny raharaha. Tany an-tranon'olona hafa no nahitana ilay ramatoa. Tsy nijanona tamin'izay anefa ny hatezeran'ny iray tanana fa dia novitainy ihany koa io olona nampiatrano ilay vehivavy io. Nolazaina fa nanafina azy io mpampiatrano io.
Efatra be izao izany ny olona namoy ny ainy. Vokatry ny valifaty izany. Mbola tena misavorovoro ny iray tanana amin'izao fotoana izao. Maro ny manahy fa tsy hijanona eo ity raharaha ity. Mbola hisy valifaty hafa koa tsy maintsy hipoitra.
Efa mandamina araka izay azo atao ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Tantara mbola hitohy anefa ity izy.
Mamy A. 


3446midi-mg-004019-6038-11072008 Zandary iray voarohirohy
MENAKA RONGONY. Notondroin'ilay voalaza fa tompony ity mpitandro filaminana ity. Mitentina 51 tapitrisa eo ny tentim-bidiny.
Zandary iray voarohirohy
Menaka rongony 17 litatra, mitentina eo amin'ny 51 tapitrisa eo, no sarona tao an-tranona lehilahy iray tany Toamasina, ny faran'ny herinandro teo. Isan'ny voarohirohy amin'izany ny zandary iray. Nahazo vaovao ny avy amin'ny polisim-pirenena mikasika ny fisian'io menaka rongony tany Toamasina io. Nanao vela-pandrika izy ireo ka nisy olona mody nosamborina, ary avy amin'iny no nanaovana fisavana ilay trano nisy ny menaka rongony. Tratra tao tokoa ny menaka rongony 17 litatra, izay saika hamidy taty Antananarivo. Rehefa voasambotra anefa ny tompon-trano ka nalaina am-bavany dia nilaza fa tsy azy ireo zava-mahadomelina ireo fa zandary no tompony. Natao ny fikarohana ka voasambotra tokoa ilay zandary, ary voaporofo tamin'ny famotorana fa misy mahavoarohirohy azy amin'izao raharaha izao. Omaly izy ireo no natolotra ny Fitsarana tetsy Anosy ka ilay tompon-trano voatazona vonjimaika any am-ponja, ary ilay zandary kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.
Zandary miasa any Toamasina izy io, ary mitondra ny grady Gendarme Principal de 2ème classe. Mamita iraka aty Antananarivo izy no izao voasambotry ny polisy izao.
Toaka gasy
Ankoatra izay, nahatratra olona nitondra toaka gasy 3360 litatra tany Moramanga ihany koa ny avy ao amin'ny polisim-pirenena omaly. Nentina tamin'ny kamiao izy io ary saika handositra teo amin'ny barazy nataon'ny mpitandro filaminana ilay fiara no izao voasambotra izao. Mbola atao famotorana ao amin'ny biraon'ny polisy ao Moramanga ireo olona voarohirohy amin'izao fotoana izao. Mbola misy ny olona mpiray tsikombakomba amin'izy ireo karohin'ny mpitandro filaminana.



3446midi-mg-004020-6039-11072008 Olona maro voafitak'i Tsivery mpivarotra finday
Fisolokiana
Olona maro voafitak'i Tsivery mpivarotra finday
Olona maro no efa voafitak'i Tsivery izay mivarotra finday hosoka. Mandehandeha eny amin'ny faritra Andravoahangy, Ambodivona, Anjanahary izy manao io fisolokiana io. Hatoniny izay ho mpividy dia asehony ny telefaonina tena izy izay tsara dia tsara tokoa. Izay mahita izany dia taitra avokoa. Ampian'ity mpisandoka fa baolina io ka tsy tokony haderadera. Dia raikitra ny varotra. Amin'io fotoana io afinafeniny ilay finday. Hay mihodina hanovana ny entana izy. Amoahany zavatra mifono efa voahomana izay hividy. Tonga hatrany amin'ny 70 000 Ar ny vidin'ilay zavatra. Atolony amin'izay ny entana mifona ba kiraro. Aza sokafana fa sao misy mahita, hoy izy. Rehefa tonga any amin'ny toerana misy azy ny olona ka mijery, hay daomy mitambatambatra mifono scotch no tao. Ny an'ny olona hafa savony.
Nametraka fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana ireo voasoloky. Tamin'ny talata faha-8 jolay teo, nampandre ny polisy ny iray tamin'ireo voa fa hitany teny Ambodivona ity mpisoloky ity. Rehefa naleha teny an-toerana dia io tokoa ny anao lahy. Avy hatrany dia nosamborina izy. Samy nanamarina ny mpitory fa io tokoa ilay olona nisoloky azy ieo. Niaiky ny zavatra vitany i Tsivery.



3446midi-mg-004021-6040-12072008 Fanafihana teny Tsiadana, nandà ny voampanga
Fitsarana
Fanafihana teny Tsiadana, nandà ny voampanga
Niakatra fitsarana omaly ny raharaha fanafihana tokantrano iray teny Tsiadana tamin'ny taona 2007. Lehilahy iray no voasambotra tamin'izany ary izy no voatondro fa nitifitra. Nalefa teny Tsiafahy izy. Nandà ny fiampangana azy hatrany anefa izy ary nitondra fanazavana fa nisy nitelefaonina azy ho eny amin'ny toerana ary izany no nahatongavany teny. Rehefa tonga anefa ny mpitandro filaminana dia izy no voasambotra. Nisy olona nanondro azy ho mpandroba. Tamin'ny fiarovan-tenany dia nilaza izy fa io nanondro azy io no niantso azy tamin'ny telefaonina. Amin'ny herinandro no hivoaka ny didim-pitsarana.



3459midi-mg-004035-6055-12072008 Nanao &quot;accident&quot; ilay namono mpiasa dia tratra
Vonoan'olona sy halatra. Tsy navelan'ny rariny tsy hipoitra ny marina indrindra raha misy ràn'olona latsaka. Sendra ny tsy nampoiziny ilay mpamono olona.
Nanao accident ilay namono mpiasa dia tratra
Tratra tamin'ny tsy nampoiziny teny Ambohibao ny lehilahy iray fantatra amin'izao fotoana izao fa namono vehivavy sy nangalatra fiara iray teny Ambatsy Soamanandrariny tamin'ny alin'ny talata lasa teo.
Nihazo iny lalana Ambohibao iny ity olona ity no nanao lozam-pifamoivoizana. Tsy afaka nandeha fa tsy maintsy niandry ny zandary hijery izany loza izany ny anao lahy. Rehefa nojerena ny taratsy rehetra tany aminy dia fantatra fa tsy nisy permis de conduire tany aminy.
Teo dia nanomboka mahina ny mpitandro filaminana. Tsy navela nandeha ilay lehilahy fa nentina avy hatrany tany amin'ny birao. Tetsy andanin'izany, efa nandeha ny antso nalefa nanerana ny tobin'ny mpitandro filaminana rehetra mikasika ny fahaverezana fiara tany Soamanandrariny. Rehefa nohamarinina, ilay fiara very io nentin'ity olona ity io. Ny zandary avy eny Ambohimalaza no nanao ny fanenjehana an'ilay olon-dratsy.
Natao ny famotorana an'ilay lehilahy ka fantatra avokoa ny zavatra niseho tamin'ny nahafaty ilay vehivavy mpiasa tao amin'ilay trano. Tsy vahiny ao amin'ilay tanana ity lehilahy ity. Zanak'olona niasa tao taloha izy. Araka izany fantany tsara ny ao anatiny rehetra. Fantany ihany koa ny mpiambina. Voalazany tamin'ny fanadihadiana fa tetika niraisana ny azy roalahy ny amin'ny hangalarana ilay fiara. Mikasika ny nahafaty ilay vehivavy indray dia toa hoe mody taitra izy nandre fa maty ramatoa io. Tamin'ny fitantarana nataony dia nilaza ny anao lahy fa novelesiny tamin'ny boule teo amin'ny handrin'ilay vehivavy. Torana vokatr'izany ity farany. Lasa tamin'izay izy namoaka ny fiara. Nahatsiaro tena vetivety ary nikiakiaka avy hatrany ramatoa. Mbola voadaroka indray anefa. Tsy vitan'izany fa notapenany ny vavany, nafatony ny tanany sy ny tongony. Tamin'ireo fotoana rehetra irao, tsy tao amin'ilay tanana mhitsy ny mpiambina fa niala kely.
Rehefa izany, nentiny tamin'izay ny fiara. Tamin'ny fotoana nanaovany lozam-pifamoivoizana teny Ambohibao, nikasa hivarotra ilay fiara teny amin'ny faritr'Ivato rangahy. Halatra fiara no antony namonoany an'ilay vehivavy. Fantatra mantsy fa toa tsy nisy zavatra hafa very ankoatra ny akanjo vitsivitsy tao amin'ilay trano.



3459midi-mg-004036-6056-12072008 Sinoa iray naiditra am-ponja
RONGONY
Sinoa iray naiditra am-ponja
Tratran'ny polisy tao amin'ny hotely tetsy Behoririka niaraka tamin'ny rongony 200 gramma ity teratany sinoa iray ity. naharay vaovao ny avy ao amin'ny polisy ny momba azy ka izao izy nosamborina izao. Ny alarobia teo izy no voasambotra ary natolotra ny Fampanoavana ny alakamisy teo. Taorian'izay dia naiditra vonjimaika teny Antanimora. Omaly izy no notsaraina  ka amin'ny zoma heriny no hivoaka ny didim-pitsarana. Mpivarotra ao Behoririka ihany ny asan'ity sinoa ity.
Ankoatra ny resaka rongony dia mbola enjehin'ny fanjakana ihany koa izy satria efa tsy ara-dalana ny taratasy fahazoany alalana hipetraka eto Madagasikara.
Ny alarobia teo ihany koa no voasambotry ny polisy ny mpitarika fivavahana iray izay nahatratararana rongony efa namboarina 250 gramma. Rehefa nofotorana izy dia nanoro ny namany, ary mbola nahitana rongony 200 gramma ihany koa tany amin'ilay io. Araka ny nolazain'izy ireo dia avy any Nosy be ireo rongony ireo ary saika haondrana any ivelany.



3459midi-mg-004037-6057-12072008 Raikitra ny fifampitifirana, roa no maty
HALATRA OMBY
Raikitra ny fifampitifirana, roa no maty
Notafihin'ny dahalo miisa 30,  nirongo basim-borona miisa 15,  ny tao an- tanànan' Amparihivato - Ankadilalandresaka, Fenoarivobe, ny 9 jolay lasa teo. Omby miisa 290 no lasan'ireo dahalo tamin'izany. Nifanome tanana ny fokonolona  sy ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Ambohitromby ary ny miaramilan'ny DAS  avy ao an-toerana nanao ny fanarahan-dia. Nifankatratra tao amin'ny toerana antsoina hoe Kizo Ankohinasohitra, izay 40 kilaometatra atsinanan'Ambohitromby ny dahalo sy ny mpanara-dia ny antoandro tamin'ny 12 ora sy sasany, ny androtr'iny ihany. Nisy ny fifandonana teo amin'ny roa tonta ka dahalo roa no maty voatifitra, basim-borona kalibra 12 iray no azo. Tsy nisy naratra sy aina nafoy teo amin'ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Tafaverina avokoa ny omby rehetra ankoatra ny omby 4 izay novonoin'ireo dahalo teny an-dalana. Efa misokatra ny fanadihadihana mikasika ity raharaha ity amin' izao fotoana izao. Nidina nijery ifotony teny an-toerana ny lefitry ny komandy vondron-tobim-pileovana (groupement) ny zandarmaria Bongolava sy ny lehiben'ny distrika handrindra sy hanara-maso ny fanadihadihana izay tsy maintsy hatao mikasika ity raharaha halatra omby ity.



3459midi-mg-004038-6058-12072008 Nalana baraka nitety tanana ilay tovolahy
Fanolanana
Nalana baraka nitety tanana ilay tovolahy
Tsy nanaiky ny fianakavian'ilay ankizy vavy kely raha tsy nentina nitety ny tanana iray manontolo ilay tovolahy nametaveta zazakely vao 2 taona.
Tany amin'ny tanana atao hoe Ambinanitao Sambava no niseho ity fanolanana ity. Ankizy lahy 14 taona no nanao izany tamin'io zaza voalaza eo ambony io. Mpianadahy ihany izy ireo, izany hoe zanak'olona mpirahalahy. Nandeha nilalao tany ilay vavy kely. Ny reniny nitoto vary tsy lavitra azy. Tampoka teo, nikiakiaka ilay zanany. Nojerena ka io ilay bandikely eo amboniny eo. Taitra tamin'izany ramatoa ka dia nitomany ihany koa. Niantso olona izy avy eo nisambotra an'ilay tovolahy.
Nojerena ilay ankizy vavy ka nahitana fivontosana ny maha vehivavy azy. Voalaza aloha fa tsy mbola simba izy. Rehefa nanontaniana ilay nahavanona ny fanolanana dia nilaza fa notambatambazany ilay ankizy, nosafosafony ary dia nalana ny silipony. Rehefa izany dia nataony ny sitrapo ratsiny.
Tsy nanaiky ny fianakaviana fa dia io nasesy manerana ny tanana io ny anao lahy. Tsy vitan'izany fa noterena niteny hoe : tsy hanao intsony aho. Asa aloha raha hahafay azy izany. Raha ny fandehan-javatra mantsy dia handrenesana zavatra mahatsiravina ohatra an'izao, tsy any amin'iny faritra iny ihany fa manerana ny nosy manontolo.
Remi R. 


3459midi-mg-004039-6060-12072008 Maty notsatohany antsy fa nanondro azy ho mpamosavy
Andapa. Ny tendrom-po tokoa tsy mba namana. Taitra taminny resaka nivoaka ny vavan'ilay namany izy ka nahavanon-doza.
Maty notsatohany antsy fa nanondro azy ho mpamosavy
Raikitra ny ady teo amin'ny vehivavy roa. Tsy namelan'ilay iray anefa raha tsy tapitra ny ain'ilay nanondro azy ho mpamosavy. Tsatoka antsy maromaro no hita tamin'ny vatan'ilay namoy ny ainy.
Tany amin'ny tanana atao hoe Tsaratanana Anjialavabe, any Andapa, no niseho ity zavatra ity. Niala maraina ny tanana ny vehivavy miisa telo, ndeha hiasa any anaty ala. Misy volom-bava ny iray tamin'izy ireo. Tsy naharitra ny namany iray ka nanontany : nahoana ianao no misy volombava. Tsy namaly ilay nanontaniana fa nihomehy fotsiny. Dia saika vita teo ny resaka. Nitsatsaingoka anefa ilay vehivavy fahatelo, tsy ilay misy somotra, nanao hoe, ny vehivavy misy volom-bava dia mpamosavy. Taitra tamin'izany ilay ramatoa be volombava ka dia namely avy hatrany ilay nilaza fa mpamosavy izy. Nodarohany avy hatrany. Lavo tamin'ny tany. Raikitra ny ady. Navoakany ny antsy avy any ambalahany any ary dia notsatohany tamin'izany ilay vehivavy fahatelo. Tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy. Rehefa izany, lasa nandositra izy. Ilay vehivavy iray nanontany azy no lasa nampandre ny fokonolona.
Tsy hita
Rehefa tonga teo ny vaohoaka dia tsy nisy azony natao fa nijery fotsiny ity razana nihosin-drà. Natao tamin'izay ny fikarohana ilay nahavanona ny loza. Nijery hatraiza hatraiza ny fokonolona fa niala maina avokoa. Ao ireo nihevitra fa ankevitry ny ho namono tena izy rehefa nahatsapa fa nahafaty olona. Tena taitra mafy mihitsy mantsy hono izy raha nilazan'ilay ramatoa fa mpamosavy. Hatramin'izao tsy hita izay misy azy. Tamin'ny alatsinainy teo no niseho ity zavatra ity.
Mamy A. 
Lire aussi - Rongony : Sinoa iray naiditra am-ponja - Halatra omby : Raikitra ny fifampitifirana, roa no maty - Fanolanana : Nalana baraka nitety tanana ilay tovolahy - Sotasota : Daroka teo amin'ny lamosiny no nahafaty azy 


3477midi-mg-004058-6084-14072008 &quot;Visa&quot; sandoka amidy 6 tapitrisa Ariary
TANA. Sonia sandoka an'ny tomponandraikitra ambony no ao anatin'ilay antontan-taratasy. Enina tapitrisa Ariary no sandan'ny Visa iray. Ny Sinoa no tena betsaka mividy azy.
Visa sandoka amidy 6 tapitrisa Ariary
Visa na taratasy fahazoan-dalana mipetraka mandritra ny fotoana voafetra eo amin'ny firenena. Efa vitan'ny sasany ihany koa ny manao hosoka an'izany amin'izao fotoana. Enina tapitrisa Ariary ny  sandany. Sinoa no farany nahatratrarana an'izany teto an-drenivohitra. Nentina teny amin'ny Fampanoavana io farany ny zoma lasa teo ary samy nidoboka am-ponja izy sy ilay Malagasy niray tsikombakomba taminy. Raha ny fantatra dia hatramin'ny taona 2015 no manan-danja ilay visa sandoka namboarin'izy ireo. Amin'ny faran'ny volana novambra 2015, raha araka ny vaovao voamarina teo anivon'ny mpitandro ny filaminana.
Sonia sy fitomboka
Ny tena nahatalanjona tamin'ity raharaha ity dia ny fisian'ny sonian'ny tomponandraikitra ambony teo amin'ny firenena, miaraka amin'ny fitombokany ao anatin'ilay taratasy. Izany hoe vitan'ireo mpanao ratsy hatramin'ny mangala-tsonia sy manao ny fitomboka sandoka mba hanatontosany ny asa ratsiny. Io tompon'andraikitra ambony io rahateo no nitory iretsy farany amin'ity raharaha ity. Fantatra ihany koa fa mbola nisy Sinoa enina hafa tafiditra tao anatin'ity raharaha ity ary samy nosamborina. Manazava ireo toe-javatra ireo fa misy ny teratany vahiny mialokaloka sy tsy manara-dalàna eto amintsika. Tsy vitsy ihany koa ireo manao pasipaoro sandoka mba hidirana sy hivoahana eto.
Pasipaoro biométrique
Raha tsy hitanisa afa-ts'ireo teratany Irakianina roa izay tonga teto amintsika miaraka amin'ny pasipaoro irakianina raha pasipaoro malaizianina kosa no nampiasain'ireo mba hivoahana teto amintsika. Na izany aza anefa dia tsikaritra fa nampihena an'izany fironana izany ihany ny fampiasana ny pasipaoro biométrique izay toa lasa sarotra kokoa ny manao hosoka azy noho izy mila teknolojia avo lenta. Avy etsy Behoririka, raha araka ny fantatra, ny ankamaroan'ireo Sinoa voasambotra tamin'ity hosoka Visa ity. 
D.R 


3477midi-mg-004059-6085-14072008 Betsaka no tsy lavorary  Omby 286 voaverina  Voaolana tanaty alabe
FAMORANA
Betsaka no tsy lavorary
Marobe ny ray aman-dreny mivezivezy eny amin'ny toeram-pitsaboana, tato ho ato, mitondra ny zanany rehefa nananosarotra ny famoràna. Betsaka no tsy lavorary hany ka raha vao voadona kely dia miverina mandeha rà be. Ny faramparan'ny herinandro no tena maro izany, raha araka ny fanamarihan'ny mpitsabo sendra anay. Ny tena miteraka ny olana dia ny tsy fahatomombanan'ny fandidiana ka mahatonga ny filahian'ny zaza sasany ho tapaka tanteraka ny tapany ambony. Tsy vitsy amin'ireo, rehefa sendra ny toy izany, no avy hatrany dia fantatra fa tsy afaka ny hiteraka intsony. Anisan'izany ity zaza iray avy etsy Ampitatafika. Ao ihany koa ireo izay lasa ahitàna aretina noho ny tsy fahadiovan'ny fitaovana ampiasain'ny mpitsabo. Tsara arak'izany raha mba manatona mpitsabo tena mahay sy fanta-daza rehefa manao famoràna. Iankian'ny hoavin'ilay zaza mantsy ny famoràna azy.
DAHALO
Omby 286 voaverina
Niara-nientana ny zandary sy ny fokonolona ary ny tafika. Vokatr'izany, omby manodidina ny 300 no indray voaverina amin'ny tompony ny 9 jolay lasa teo, tao Amparihivato-Ankadilalandresaka, distrika Fenoarivobe. Dahalo miisa 30 lahy no nanafika tao amin'io tanàna io niaraka tamin'ny basim-borona. Omby miisa 290 no lasan'ireo tamin'izany. Nifanome tanana ny fokonolona sy ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Ambohitromby ary ny miaramilan'ny DAS ka natao ny fanarahan-dia. Tao amin'ny kizo Ankohinasohitra ireo olon-dratsy no sarona. Nisy ny fifandonana ka tamin'izany no nahafatesana dahalo roa izay niaraka tamin'ny basy kalibra 12. Tsy nisy kosa ny aina nafoy teo amin'ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tafaverina avokoa ny omby rehetra ankoatra ireo efatra izay novonoin'ny dahalo teny an-dalana.
SAMBAVA
Voaolana tanaty alabe
Niaraka tamin'ny fianakaviany sy ny namany izy raha nanavatsava ala. Saingy tsy nahasakana azy tsy ho voaolana ihany. Zazavavy 13 taona no niharan'izany tao amin'ny tanàna iray tao Sambava. Raha handeha hivalan-drano izy no nisy lehilahy iray nipoitra tampoka tao anaty ala. Nofatoran'io farany lamba ny vavan'ilay zaza mba tsy afaka hiteny. Teo amin'izay no nanararaotan-drangahy nanaovana ny filan-dratsiny. Nanomboka nifampanontany ny naman'ilay vehivavy rehefa tsy nahita azy elaela. Natao ny fitadiavana tao anaty ala ary teo no nahitàna izay nihatra taminy. Sarona ambodiomby ilay nahavanon-doza. Nifandrotahina ary nafatotra dia nentina tany amin'ny zandary. Nidoboka am-ponja vonjimaika izy, araka ny vaovao azo farany.
D.R sy Rémi R. 


3477midi-mg-004060-6086-14072008 Olona 11 tsy hita popoka
SAINTE MARIE
Olona 11 tsy hita popoka
Mbola tsy hita hatramin'izao ny nanjavonan'ireo olona 11 tao anatin'ny sambo TROPICANA II, izay tavela teny ambony ranomasina hatramin'ny zoma lasa teo. Olona roa tao anatiny kosa no efa avotry ny miaramila avy ao amin'ny tafika an-dranomasina ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Olona 13 no tao anatin'io sambo io, teratany Malagasy ny telo ary Thaïlandais ny sivy. Teny an-dranomasin'i Cap Masoala no tsy nandrenesam-baovao intsony ity sambo manao zotra mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Maroantsetra ity. Nampandre ny manam-pahefana ny tompony, izay mipetraka ao Sainte Marie. Nanomboka ny fikarohana ary isan'ny nanampy tamin'izany ny miaramila avy ao amin'ny tafika an-dranomasina malagasy. Nisy ihany koa ny fiaramanidina kely nampiasaina tamin'ny fikarohana saingy tsy nahitam-bokany izany.
Ny sabotsy dia fantatra fa vaky ity sambo ity ary nidiran'ny rano ka nivadika teo amin'ny toerana nandatsahany vatofantsika ihany. Olona roa izay samy teratany Malagasy no hitan'ireo mpamonjy voina, fa ny 11 hafa kosa tsy hita popoka. Noho ny haizina sy ny toetr'andro ratsy anefa dia voatery najanona ny fikarohana ny andron'io. Ireo olona roa hita kosa dia efa atao famotorana any Sainte Marie amin'izao fotoana izao rehefa avy nahazo fitsaboana sy fikarakarana.
Marihina fa sambo vita amin'ny fibre de verre ity TROPICANA II ity, ary mirefy 11,5 metatra ny halavany ary 4 metatra ny sakany.
Hatramin'izao dia mbola manohy ny fikarohana ireo olona 11 tsy hita popoka ireo ny miaramila avy ao amin'ny tafika an-dranomasina malagasy.



3477midi-mg-004061-6087-14072008 Kaomorianina iray tratra
PASIPAORO SANDOKA
Kaomorianina iray tratra
Voasambotry ny polisy frantsay tany Paris (Charles de Gaulle) ny lehilahy kaomorianina iray nitondra pasipaoro sandoka. Pasipaoro frantsay izy io ary teo amin'ny sary no nanaovany hosoka. Niainga avy aty Madagasikara ny talata teo izy ary naverina taty ny alakamisy. Tsy nandalo teo amin'ny polisy malagasy izy io fa nandeha lalan-kafa, saingy nanana ny taratasy fiondranana ara-dalàna. Mbola karohina hatramin'izao ireo mpiray tsikombakomba taminy izay nanome azy ireo taratasy ireo sy ny nampiditra azy hatrany anaty fiaramanidina.



3496midi-mg-004081-6108-15072008 Mitobaka eny an-tsena
ENTANA HALATRA. Olona dimy no nosamborin'ny polisy omaly. Ny roa mpiasa amin'ny zone franche ary ny telo mpivarotra eny Analakely sy Antsahavola.
Mitobaka eny an-tsena
Lehilahy roa sy vehivavy telo no nosamborin'ny polisy omaly noho ny fangalarana sy fivarotana entana halatra avy any amin'ny zone franche. Ny roa amin'ireo mpiasan'ilay zone franche very entana ary ny telo (roa vavy, lahy iray) mpivarotra eny Analakely sy Antsahavola. Fangalarana entana, fivadiham-pitokisana ary fandraisana entana halatra no anenjehana azy ireo. Eny Andraharo sy Talatamaty eny no misy ity orinasa afakaba very entana ity, ary mananika hatrany amin'ny 28.000 Euros any ny totalim-bidin'ny entana very. Nandritra ny inventaire natao tamin'ny 10 jolay no nahafantarana ny fahaverezan'ireo entana ireo. Entana izay tokony hamidy any Eoropa sy Amerika fa tsy tokony hamidy eto Madagasikara. Saika akanjo avokoa ireo entana ireo fa ny marque no samy hafa. Misy ny Reebok, Celio, Decathlon, sy ny maro hafa.
Fisavana
Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Nisy koa aza omaly hariva ny fisavana tranon'olona natao teny Ambohidratrimo. Olona izay ahiana ho mpiray tsikombakomba tamin'ireto olona voasambotra ireto.
Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra iray dia mbola ireto aloha no tratra, fa marobe ny entana halatra avy any amin'ireny zone franche ireny no mitobaka eny an-tsena, ary saika akanjo avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Efa mandefa mpanara-maso ihany koa ny orinasa afakaba amin'izao fotoana izao mijery ny mpivarotra ireny entana halatra ireny eny an-tsena. Amin'iny faritr'Antsahavola sy Analakely ary Tsaralalàna iny no tena ahitana azy ireo, ankoatra ny eny amin'ny tsenan'i Mahamasina sy Andravoahangy ary Ambondinisotry.
Amidin'ireo mpivarotra amin'ny vidiny mora ireny entana ireny, vidiny izay tsy mifanaraka velively amin'ny hatsarany, ka izay no tena mampandeha azy.



3496midi-mg-004082-6109-15072008 Lehilahy lehibe nisakaiza tamin'ny vinantony
SAVA
Lehilahy lehibe nisakaiza tamin'ny vinantony
Notsiriritin'ity lehilahy lehibe iray fatratra tokoa ny vinanto vaviny ary tsy namelany raha tsy azony. Tao ambanin'ny trano fonenana ihany no nanaovany ny firaisana. Rehefa ela nitorahana anefa, tsy maintsy mahavoa mason'angatra, hoy ny fitenenana.
Tany amin'ny faritry SAVA, any amin'ny tanàna kely iray mitokantokana eo anelanelan'Anolovana sy Ankijabe, no niseho ity zavatra mamoafady ity. Naka vady tany Tsarabaria ny zanak'ilay lehilahy. Voalaza fa vao 15 taona izy io. Na dia efa miara-mipetraka aza anefa izy roa dia mbola nisy fombafomba tsy tanteraka. Niandry izany rakalakely. Nitsiry tetsy an-daniny ny fanirian-dratsin'ilay rafozany. Nahita hevitra rangahy. Alefany mamita iraka mandeha lavitra ilay zanany lahy. Tsy tafaverina raha tsy andro maromaro. Notoriany fitiavana tamin'izay ilay vinanto. Toa nandà anefa ity farany. Tsy namelan-dragahy anefa raha tsy azony.
Rehefa tafaverina ny vadin'ilay ankizy vavy dia notantarainy ny zava-nisy. Tsy dia nino izany razazalahy. Farany, nanoratra tany amin'ny ray aman-dreniny ilay vehivavy; ireo no nandray andraikitra sy nilaza tamin'ilay zazalahy. Raikitra fa ho fandrihana ity lehilahy lehibe ratsy fitondran-tena ity. Misy fomba hafa izay fanao any an-toerana rehefa matory. Fatorana amina tady kely ny rantsan-tongotra. Indray alina, tsy tao an-trano ilay zanany, iny rangahy fa nanao ny fomba fanaony. Nojokoina ary nosintonina ilay tady kely ka io fa tsy afaka niala intsony rangahibe.
Mba ho fandaminana ny fandehan-javatra, dia nanome omby telo izy. Ny roa ho an'ny ray aman-drenin'ilay vinanto. Ny iray natao sakafo ho nofon-kena mitam-pihavanana. Ny amin'ny tokantranon'ny zanany kosa tsy mbola fantatra izay hiafarany.
Remi R. 


3496midi-mg-004083-6110-15072008 Mpivady tratra nitondra hena anaty gony
Ombivavy halatra
Mpivady tratra nitondra hena anaty gony
Mpivady niandry fiara nitondra gony feno hena ho aty Antananarivo no tratran'ny zandary avy ao Sambaina Manjakandriana tamin'ny sabotsy teo. Vaovao avy amin'ny fokonolona no nahafahana nisambotra ireto olona ireto. Nisy namany roa fa lasa nandositra raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Tsy nijanona teo ireo mpitandro filaminana fa nanao fisavana ny tranon'izy mivady. Tamin'izany no mbola nahitana lohan'omby sy tratran'omby. Fantatra taorian'ny fanadihadiana fa ombivavin'olona mipetraka any Mandravalalona Sambaina ihany io novonoin-dry zareo io. Very tamin'ny faha-11 jolay io omby io. Rehefa nampanantsoina ny tompony ary nasaina nitondra ny taratasy mikasika ilay biby, dia voamarina fa azy ireo tokoa ny omby. Mbola mitohy amin'izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
Toa miverina indray ny halatra ombivavy tetehana ho hena any amin'iny faritra iny manomboka aty Ambonitsena miatsinana sy mianavaratra. Taona maro lasa izay, mandry tsy lavo loha ny mponina indrindra ireo mpiompy ombivavy. Saika isaky ny herinandro, misy very foana. Amin'izay, omby bevohoka no tena lasibatra. Maro ny resaka re nanodidina izany. Tetsy an-daniny, tsy vitsy koa ny hotely mpanao lasopy taty an-drenivohitra afaka mandroso ho an'ny mpanjifa lasopin-janak'omby.



3496midi-mg-004084-6111-15072008 Lehilahy maty an-drano efa ho 5 andro
Ambohidratrimo
Lehilahy maty an-drano efa ho 5 andro
Fatin-dehilahy tokony ho eo amin'ny 50 taona no hitan'ny fokonolona avy ao Tanambao Ambohimiadana, kaominina Ampamotokana, tao amin'ny reniranon'Anjomoka. Rehefa nandeha nizaha ny razana tany an-toerana ny zandary sy ny dokotera dia nilaza ity farany fa efa tokony ho efatra na dimy andro no nahafaty ity olona ity. Tsy nisy nahafantarana azy intsony ny endriny. Tsy nisy taratasy mombamomba azy koa tany aminy. Ireo mponina manodidina rahateo tsy misy mahafantatra azy. Nanampy ny dokotera fa raha ny fijerena ny razana dia fahafatesana tsotra no nahazo ity rangahy ity. Nisy tapaka teo amin'ny hato-tongony ary an-keviny nianjera tany anaty rano tany izy.



3496midi-mg-004085-6112-15072008 Tapatapany
Tapatapany
Boulevard. Saika maty. Nianjeran'ny entana nentiny ny mpitarika posy iray, omaly, teny amin'ny Boulevard de l'Europe. Maro ny olona nifandrombaka namonjy azy raha vao nahita fa tototra tao ny anao lahy. Sempotra tanteraka ity olona ity. Misy ny tompon'entana manao ny sitrany ahay, tsy maka fiara afaka mizaka ara-dalàna ny entany. Dia izao no iafarany. Saika loza.



3496midi-mg-004086-6113-15072008 CIN sandoka : Afrikanina iray nosamborina 
ANDRANOMANALINA. Mirona bebe kokoa amin'ny fisavàna amin'ny antoandro ny mpitandro filaminana. Hita tamin'izany fa maro  ny vahiny tsy ara-dalàna.
CIN sandoka : Afrikanina iray nosamborina 
Ny alahady lasa teo izy no voasambotra tao an-tranony tetsy Andranomanalina-Isotry. Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora izy rehefa natolotra ny Fampanoavana omaly. Fampiasana hosoka amin'ny kara-panondrom-pirenena no anton'io fisamborana io. CIN sandoka no nampiasainy nandritra ny fotoana ela teto Madagasikara, mba hialàna amin'ny visa sy izay mety ho antontan-taratasy hosavain'ny mpitandro filaminana azy raha sendra fantatra fa vahiny ny tenany. Ary dia nahomby tokoa izany. Saingy misy farany ny zava-drehetra. Azon'ny pôlisy ny vaovao momba azy. Nandeha ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana mahakasika azy. Nipoitra tsikelikely teo ny tsy fanarahan-dalàna.
Antoandro
Nosamborina izy ny alahady. Saika isan'andro izany izao ny fisamborana vahiny, nandritra ny roa herinandro izay. Mifandraika amin'izay ihany, saika isan'andro ihany koa ny fanolorana vazaha eny amin'ny Fampanoavana sy eny amin'ny tribonaly. Ny maro amin'ireo dia nosamborina noho ny fampiasana hosoka, na izany mikasika ny  visa  na koa ny pasipaoro. Fantatra koa fa ny hetsika nataon'ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany no nahazoana io vokatra io. Raha amin'ny alina hatramin'izay ny fisavana taratasy atao amin'ny vazaha, izao kosa dia mirona bebe kokoa amin'ny fisavana amin'ny andro antoandro ny mpitandro filaminana. Ary tena nahitam-bokatra izany. Afrikanina, Kaomorianina ary Sinoa no betsaka amin'ireo tsy ara-dalàna, araka ny fanamarihana azo.
D.R 
Lire aussi - SAVA : Lehilahy lehibe nisakaiza tamin'ny vinantony - Ombivavy halatra : Mpivady tratra nitondra hena anaty gony - Ambohidratrimo : Lehilahy maty an-drano efa ho 5 andro - Tapatapany 


3514midi-mg-004105-6136-16072008 Sivily iray nohainoana omaly
Bôlô.
Sivily iray nohainoana omaly
Sivily iray indray no tazana tetsy Anosy omaly nohadihadian'ny Fampanoavana. Fantatra ihany koa fa amin'ny alakamisy izao ny dosie sy ny porofo rehetra momba ity raharaha ity no hatolotra ny Fitsarana. Midika izany rehetra izany fa tsy ho ela intsony, ary mety ho amin'ity herinandro ity ihany aza, dia ho tapitra amin'izay ny fanadihadian'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fampanoavana. Dia miandry ny fotoam-pitsarana amin'izay avy eo.
D.R


3514midi-mg-004106-6137-16072008 Halatra taolam-paty, olona roa nosamborina
Halatra taolam-paty, olona roa nosamborina
Olona roa avy any Ankotsaka sy Ambalamanakana no voasambotry ny zandary avy ao amin'ny poste avancé Ivato Centre ny faha-12 jolay lasa teo. Voarohirohy amina halatra taolam-paty izy ireo.
Anastase


3514midi-mg-004107-6138-16072008 Ady lova, mpirahalahy nifamono ary samy maty
Vonoan'olona.
Ady lova, mpirahalahy nifamono ary samy maty
Tamin'ny faha-9 jolay teo no niseho ny zavatra mampalahelo tany Ambalapaiso Marokariana. Mpirahaly iray tampo no nifamono noho ny resaka lova. Samy maty izy ireo. Toa tsy mijanona eo anefa ny raharaha satria samy manana ny fahitany ny zavatra niseho ny ankohoan'izy ireo.
Tamin'io andro io, nioty kafe teo amin'ilay tany I Tongavelo. Tonga nanatona teo I Tamaro rahalahiny ary nanontany : nahoana no toazanao ny kafe? Tsy naka sarotra iry voalohany namely : ahy ity dia alaiko.   Teo no raikitra ny fifamalian'izy roalahy. Tsy fantatra izay niseho tao an-dohan'I Tamaro fa nalainy ny famaky ary nasiany tamin'iny ity rahalahiny. Voa teo amin'ny tarehiny ny iray ary tena naratra mafy tokoa I Tongavelo. Latsaka mihitsy ny valandranony. Torana mihitsy hoy ny vaovao. Rehefa izany dia lasa I Tamaro.
Tsy nijanona teo ny raharaha. Rehefa nahatsiaro tena I Tongavelo, noraisiny ny antsy. Nandeha teny amin'ny toerana nisy an'I Tamaro izy. Tsy nananany indro fo mihitsy fa nolerany tamin'io fiadiana io ity rahalahiny. Maty teo no ho eo izy. Noho ny rà very koa anefa dia namoy ny ainy I Tongavelo. Faty roa be izao izany no indray nivalapatra teo amin'ilay toerana.
Ny zavatra tena nampalahelo, tsy nisy nanaiky ny zavatra niseho ny fanambadian'izy roalahy. Samy nandevina ny azy. Tsy niaraka. Na ny fiandrasana ny razana tao amin'ny tranobe aza, tsy niaraka.
Manao ny fanadihadiana amin'iazo fotoana izao ny zandary. Ahiana ho hisy zavatra hafa hiseho anefa any an-toerana.
HAR


3514midi-mg-004108-6139-16072008 Mpamily mamo nahafaty olona
Mpamily mamo nahafaty olona
Olona iray maty tsy tra-drano, olona telo naratra mafy ary fiara telo potika. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tetsy Anosikely, nanoloana indrindra ny lapan'ny Antenimieran-doholona, omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin'ny 1 ora sy 45 minitra. Nirimorimo avy any atsimo, manaraka ny lalam-pirenena faha-7, iny ilay Golf. Tsy voafehin'ilay mpamily anefa teo amin'ny fiolahana ny fiara ka nifatrara tany amina fiara telo (2CV, Renault 12 ary Peugeot 309), ary niafara tao anaty fivarotana mofo sy kafe. Olona efatra no indray voatery tao ka ny iray maty teo no ho eo ary ny telo naratra mafy. Mbola nirifatra nandositra anefa ilay fiara nahavanon-doza ka nirotsaka an-tsehatra ny miaramila avy ao amin'ny 1° RTS avy etsy fiadanana, izay miambina ny lapan'ny Antenimieran-doholona, nisambotra azy. Voatazon'ireo miaramila ilay vehivavy nitaiza kely tao anaty fiara fa ilay mpamily, izay mamo kosa dia mbola nirifatra nandositra, saingy tratra ihany ary nalefa avy hatrany tao amin'ny kaomisarian'i Mahamasina. Nalefa teny amin'ny HJRA ireo telo hafa naratra,izay nisy tapa-tanana sy voa teo amin'ny lohany.  
Mamo
  Araka ny nambaran'ny mpitandro filaminana dia sady mamo no tsy manana taratasy fahazoana mitondra fiarakodia ity mpamily nahafaty olona ity. Avy nanatitra olona tany Atsimondrano izy ireo izao niharan-doza izao. Raha mbola samy variana nitangorona nijery ilay loza teo ny olona dia nisy fiarabe iray koa nirimorimo avy any. Tsy voafehin'ilay mpamily intsony ny fiara ka nifatratra tery ambony zaridaina manoloana ny lapa fitaratra. Simba tanteraka ny zaridaina ary ilay mpamily kosa nitsoaka niaraka tamin'ny fiara. Mbola nirotsaka an-tsehatra ihany ireo miaramila mpiambina nanenjika azy ka teny amin'ny tsenan'Anosibe no tratran'izy ireo ilay mpamily, ary naterina tao amin'ny polisy tao Mahamasina.
Aina R.
 
Lire aussi 
Ambositra : Halatra taolam-paty, olona roa nosamborina  
Bôlô : Sivily iray nohainoana omaly
Faist divers 

3533midi-mg-004128-6162-17072008 DE-CI.......DE-LA
DE-CI.......DE-LA
 Takalo Haingo , ce samedi.   Il ne s'agit pas d'un défilé de mode classique où l'on ne sait trop ce qu'il faut admirer : la belle plastique des mannequins ou la magnifique coupe des vêtements portés par ces dernières.  Takalo haingo  qui aura lieu au CGM, samedi prochain, se veut être un événement plus culturel que mondain. Ce défilé est organisé par Maromaitso. Derrière ce nom, se cache Ariry Andriamoratsiresy, le talentueux chorégraphe.
Recueillis par P.R.
Culture 

3546midi-mg-004142-6177-17072008 Roalahy mpanao vola sandoka
ITAOSY
Roalahy mpanao vola sandoka
Voasambotry ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Itaosy, ao amin'ny vondron-tobim-paritra Antananarivo-Renivohitra (compagnie Antana-ville) ny talata 15 jolay teo, teny Bemasoandro, ny roa lahy mpanamboatra sy mpanaparitaka vola sandoka.
Raha zohina fohy ny fandehan'ny tantara dia nividy solika tao amina station service JOVENNA iray ao Ambonisoa, Bemasoandro, ny 15 jolay, ny tovolahy iray antsoina hoe RVG. Roa alina Ariary no novidiny, izay nataony tao amin'ny scooter nentiny. Mahina ireo mpiasa ary nampandre ny zandary haingana. Rehefa natao ny fisavana ity tovolahy ity dia nahitana ireto vola sandoka ireto tany am-paosiny: 10 000 Ar roa, 5000 Ar telo, 2 000 Ar efatra, 1 000 Ar telo, ary 500 Ar izay mitotaly 46 500 Ar.
Nandritra ny famotorana no nilazany ny rangahy iray nolazainy fa nanome azy ireo vola sandoka ireo. Rehefa nosavaina ny poaketran'ity farany, dia nahitana vola sandoka 10 000 Ar, 5 000 Ar ary 500 Ar ihany koa, izay mahatratra 16 500 Ar ny fitambarany.
Mitovy amin'ny nomeraon'ny vola etsy ambony ireo vola sandoka farany ireo. Miaiky ireo olona miray trano aminy fa mpanao vola sandoka amin'ny alalan'ny fitaovana informatika toy ny solosaina, scanner ary imprimante ity rangahy ity, izay nahatratrarana rahateo ireny fitaovana ireny sy hety ary taratasy fotsy efa voatapatapaka. Efa voasambotra ingahirainy ary hatolotra ny fitsarana anio, miaraka amin'ireo porofo voangona.
Aina R.


3546midi-mg-004143-6178-17072008 Maty sy voaroba, lasa ny 150 tapitrisa
Maty sy voaroba, lasa ny 150 tapitrisa
Maty namoy ny ainy ramatoa, ilay raim-pianakaviana kosa mbola tsaboina any amin'ny hopitaly tsy mahatsiaro tena. Lasa ny vola 150 tapitrisa sy ny fiara 4x4. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy niseho tao Ankasina, 4 km tsy ahatongavana ao Ankazobe, afakomaly alina. Nopoirin'ireo mpanafika tamin'ny barre à mine ny varavarana ary niditra an-keriny izy ireo. Nivantana tany amin'ny efitra fatoriana izy ireo ka nandaroka ireo tompon-trano. Naratra mafy vokatr'izany ramatoa ka tapitra ny ainy. Noteren'ireto mpanafika hanome ny volabe ireo tompon-trano, noraofiny ihany koa ny firavaka volamena. Mbola nentin'ireo jiolahy nandositra ihany koa ny fiara 4x4 teo an-tokontany.
Voasambotra
Vao lasa ireo mpanafika dia nampandre ny mpitandro filaminana ireo niharam-boina. Natao ny sakana rehetra saingy tsy hita ny nanjavonan'ireo jiolahy. Tsy nijanona hatreo anefa ny mpitandro filaminana fa nanohy ny fikarohana ka ny roa tamin'ireo jiolahy no voasambotra. Ny iray tratra teny Mahitsy ary ny iray tany Ampanotokana. Ankoatra izay, narian'ireo mpangalatra tany amin'ny sampanan-dalana hivily ho any Fihaonana ilay fiara. Ny fokonolona tany an-toerana no nampandre ny zandary. Mbola mitohy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireo.
Tsara ho fantatra fa olona nanana ny toerany teto amin'ny firenena ity fianakaviana notafihin'ny jiolahy ity. Araka ny voalazan'ny mpitandro filaminana manao ny famotorana, dia fanafihana efa nomanina hatry ny ela ity nitranga tany Ankasina ity. Ho hita eo ihany ny fivoaran'ny toe-draharaha.
r.s
 
Tapatapany


3554midi-mg-004152-6189-18072008 Olona roa voatifitra
Miarinarivo
Olona roa voatifitra
Aina R.
 


3554midi-mg-004153-6190-18072008 Lehilahy saika hanolana, maty nianjera
Lehilahy saika hanolana, maty nianjera
Mamy A.
 


3554midi-mg-004154-6191-18072008 Mitohy ny fisamborana vahiny tsy manara-dalàna
HOSOKA. Maro ny efa voasambotra ary mbola betsaka ihany koa anefa ny mbola hosamborina. Raikitra ny fihazana vahiny tsy manara-dalàna.
Mitohy ny fisamborana vahiny tsy manara-dalàna
Hatreto aloha dia ny teratany kômôrianina no tena maro an'isa. Io rahateo no mitazona ny lohalisitra, raha araka ny tarehimarika avy amin'ny pôlisy. Hatramin'ny volana janoary ohatra, dia efa tafakatra ho 160 ny kômôrianina voaroaka. Fanaovana vola sandoka sy fampiasana karapananondro hosoka no tena antony nisamborana azy ireo. Io tatitry ny pôlisy io ihany no nahafantarana fa nisy frantsay 17, amerikanina efatra, anglisy iray, gambianina dimy ary srilankais dimy tao anatin'ny lisitr'ireo voatery nampodiana. Midika izany fa betsaka no mitady hanararaotra ny fahantran'ny gasy mba hidirana moramora foana eto. Torak'izany ihany koa, tsy voatery ho ny firenena mandroso ihany no manintona ireo vazaha tsy ara-dalàna.
Didi R
 


3554midi-mg-004155-6192-18072008 Nipoaka ny &quot;chaudière&quot;, olona telo naratra mafy
Nipoaka ny chaudière, olona telo naratra mafy
  Omaly maraina tokony ho tany amin'ny 7 ora mahery kely tany, nisy zavatra nirefotra mafy dia mafy nanaitra ny mponin'Ivato iray manontolo. Nihovitrovitra ohatra an'ireny nisy horohorontany, hoy ny mpivarotra iray. Rehefa nozahana, nipoaka ny chaudière tao amin'ny orinasa iray mpanamboatra baoritra, Europack. Mpiasa miisa dimy no naratra ka ny telo no tena voa mafy ary tsy maintsy nampidirina hopitaly. Ny tarehin'izy ireo no tena voa. Izy telo ireo no mpandefa ilay milina. Fa ankoatra ireo mpiasa tao anatiny, nisy vehivavy iray tany ivelany ndeha hamonjy asa nipitihan'ny vy teo amin'ny tongony. Notsaboina tao anatin'ilay orinasa ihany izy ka afaka nandeha namonjy fodiana.
Fahasimbana
Nisy ihany koa ny fahasimbana, na tao anatin'ilay orinasa na ny taty ivelany. Potika tanteraka ilay milina. Ny trano koa nisy fahasimbana. Fa mbola vokatr'io fipoahana io ihany, maro ny trano teo amin'ny manodidina no vaky ny fitaratra, nitriatra ny valindrihana, potika ny jiro. Nisy tranon'olona hafa koa, somary lavidavitra, nianjeran'ny vy ka gorobaka ny tafo. Lasa niparitaka lavitra ny potika vy sasany ka tonga hatrany akaikin'ny sinibendranon'ny BANI. Samy gaga ny rehetra nahare zavatra nitontona mafy be. Ny elanelana misy ilay orinasa sy ny toby anefa eo amin'ny 500 metatra eo, toraka mahitsy. Azo alaina sary an-tsaina amin'izany ny herin'ilay fipoahana. Nisy fahatapahana ihany koa ny jiro teny an-toerana ka voakasika tamin'izany ny tao amin'ny seranam-piaramanidina.
Tamin'ny resaka nifanaovanay tamin'ireo mponina sasantsasany, tsy vao sambany no nahataitra ny olona ity chaudière ity. Efa nisy fotoana, araka ny filazan'izy ireny, efa namoaka setroka be ilay milina. Tsy lavitra anefa fa ao ambadika ny sekoly CRG Ivato Tanana. Tamin'izay fotoana izay, voatery nampodiana ny mpianatra.
r.s.
Lire aussi
Sambava : Lehilahy saika hanolana, maty nianjera  
Miarinarivo : Olona roa voatifitra


3587midi-mg-004189-6229-19072008 Halatra atody nitarika fahafatesana olona roa
SAMBAVA. Zavatra tsy voahevitra kely akory dia mety hampidi-doza. Ny tendrom-po koa, hono, tsy mba namana.
Halatra atody nitarika fahafatesana olona roa
Olona roa no indray namoy ny ainy tany amin'ny fokontany Antsahanateny, kaominina Bevolotra any Sambava. Halatra atody no niandohan'ity zavatra ity.
Nisy vehivavy iray niompy akoho tany anaty ala. Rehefa nanatody teny ambony hazo ilay akoho dia nisy tovolahy kely iray nangalatra ny atodiny, izay voalaza fa miisa sivy. Fantatr'ilay ramatoa anefa ny halatra ka niantsoana fokonolona ilay tovolahy. Rehefa vory ny olona, dia nalain'ilay vehivavy ireo atody ireo ary natorany teny amin'ny tarehin'ilay ankizilahy. Afaka tamin'izany ny hatezeran'ilay tompon'atody koa dia navelany nandeha ilay mpangalatra. Ry zareo rahateo mpiray tanàna ihany.
Nihazo ny renirano ilay tovolahy ary niomana ny handro tao. Rehefa tafiditra tany anaty rano anefa izy, tsy nipoitra fa sempotra tao. Namoaka azy avy tao anaty rano sy niezaka namelona azy ny fokonolona saingy tsy niverina intsony ny ainy. Teo anatrehan'izany, ny fianakavian'ilay ankizilahy dia nihevitra fa nanao zavatra hafahafa tamin-janany ilay ramatoa tompon'atody. Tsy nihambahamba izy ireo nidaroka an-dravehivavy. Maty ihany koa io olona io noho ny daroka natao taminy.
Efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny zandary any an-toerana hahitana izay tena zavatra marina mikasika ity raharaha ity.
Mamy A.


3598midi-mg-004201-6244-21072008 Ankizy 10 sy 11 taona nanafika trano misy rihina roa
DITRA. Tsy kely tsy lehibe fa samy manao asan-jiolahy, na ny antitra na ny tanora ,eny fa na ny kely aza.
Ankizy 10 sy 11 taona nanafika trano misy rihina roa
Tamin'ny sabotsy teo, tany amin'ny fokontany Antanifotsy I any Sambava dia nanihin'ireto ankizy kely roalahy ny tranon'olona misy rihina roa. Rehefa tafakatra ry zalahy dia nalany ny tafo fanitso ary avy eo izy ireo no niditra tany amin'ny efitra rehetra tany. Asa na efa fantany na tsia ny zavatra hangalariny ao. Araka ny vaovao, boaty iray feno volamena no nalainy. Tsy nijanona teo ry zalahy fa nosokafany ny vata mangatsiaka fasiana sakafo dia naliny ny sakafo sasany. Nentiny koa ny vatomamy hitany.
Fahakingana
Tena kinga tokoa ireto ankizy ireto. Variana avokoa ireo nahalala fa tsy mba niditra tany amin'ny varavarana izy ireo fa ny zoron-drindrina no nandehanany. Mila fahakingana tokoa anefa izany zavatra izany. Manampy ny fahasarotana ny vatan'izy ireo tena mbola kely tokoa. Maro ny mihevitra fa nentin'ny herin'ny maizina ry zalahy. Efa fotorana any amin'ny polisy izy ireo izao ka avy amin'izany no hahitana izay tena marina.
Mpandray halatra
Tsy nisy nahafantatra izao halatra izao ny tao an-tanana. Rehefa tsikaritry ny tompon'ny trano fa very ny volamena tao aminy dia nanao fikarohana ry zareo. Tamin'izany no nahitany azy roalahy nihinana vatomamy. Dia noraisim-potsiny teo. Rehefa nanontaniana izy roalahy kely dia natorony ny olona nivarotany an'ireo volamena. Nosamborina avy hatrany ity mpandray halatra.
Efa eo ampelatanan'ny polisy any an-toerana ny raharaha. Ny mampanotany tena ny rehetra dia ny hoe, nisy naniraka ve ireto ankizy ireto naka ny firavaka volamena sa dia izy ireo ihany no nanana izao eritreritra ratsy izao? Vao tsy ela mantsy no nahafantarana fampiasana ankizy tsy ampy taona hangalatra. Voalaza fa terena mihitsy ireny zaza ireny ary ampitahorina raha tsy mety mandeha.
Mamy A. 


3598midi-mg-004202-6245-21072008 Mivarotra gazety amin'ny antoandro, manendaka amin'ny alina
Asan-jiolahy
Mivarotra gazety amin'ny antoandro, manendaka amin'ny alina
Ravan'ny polisy avy ao amin'ny 8e arrondissement ny andian-jiolahy nampihorohoro iny faritra Amboditsiry, Ambatomainty, Anjanahary ary Manjakaray iny. Araka ny vaovao voaray, mandehandeha mivarotra gazety izy ireo rehefa antoandro ny andro. Hay, mitsikilo izay toerana tiany hasiana izy amin'izany. Fanafenana zavatra fotsiny io. Tamin'ny faha-15 jolay teo tamin'ny 1 ora maraina, namaky fivarotana teny Andranobevava izy ireo. Tonga ny polisy ka tratra tao an-trano ny iray. Izany Rahery izany no anarany. Ny ampitso, rehefa nofotorana izy dia nanoro ireo namany sy ny mpandray ny entana halatra. Avy hatrany dia nosamborina ireo. Nandeha ny fanadihadiana, nambaran'ireto bandy ireto avokoa ny zavatra vitany nanomboka tamin'ny voalohan'ny voalana jolay.
Ny 01 jolay, vehivavy iray no voaendaka teo Andranobevava, very ny vola, ny finday ny firavaka volamena. Saika voaolana koa ilay ramatoa. Soa ihany fa nandalo ny polisy ka izany no nahaafaka azy. Ny faha-7 jolay, namaky fivarotana teny Amboditsiry ireto bandy ireto. Efa voavaha ny varavarana. Nandalo ny polisy ka lasa nandositra izy ireo. Tsy mbola nahazo na inona na inona. Ny faha-9 jolay, fiara 4X4 iray nanala olona tamin'ny 1 ora sy sasany maraina teny Anjanahary no notafihin'olona nisaron-tava. Ry zalahy ihany ireo. Mitotaly hatrany amin'ny 6 tapitrisa Ar ny tetibidin'ny zavatra lasa tamin'izay. Telefonina telo miampy kojakojana mozika sy fanamafisam-peo.
Manofa basy
Tamin'ny fanadihadiana azy ireo ihany no nahalalana fa rehefa hanafika izy ireo dia manofa basy. Tsy fantatra kosa hoe avy aiza izany basy izany. Tamin'izy ireo voasambotra, nahitana ody gasy tany amin'ilay antsoina hoe Eric Rasta avy ao Manjakaray. Avy amin'ny faritra samy hafa ireto mpanendaka ireto : Sabotsy Namehana, Ambohimangakely, Manjakaray...
Efa misy ny mandray ny halatra. Raha televizioana no azony dia aterina eny Mahavoky. R. E. izany no anaran'io vehivavy io. Rehefa natao ny fisavana, nahitana  tele dimy tao amin'ilay olona. Raha auto radio indray dia eny Antohomadinika ny mpandray izany.
Natolotra ny fitsarana tamin'ny sabotsy teo ry zalahy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.



3598midi-mg-004203-6246-21072008 Nahazo mpitandrina raikitra 
FJKM Amparibe famonjena
Nahazo mpitandrina raikitra 
Tamin'ny fifaliana tokoa no nandraisan'ny mpihevi- draharaha sy ny mpianakavin'ny finoanan'ny Fiangonana Fjkm Amparibe Famonjena ny Mpitandrina raikitra vaovao Raharijaona Solofonirina sy ny vadiny omaly Alahady.  Nisafotofoto mantsy ny Fiangonana tao aorian' ny nandehanan'ny Mpitandrina Ramino Paul nisotro ronono. Enin-bolana katroka anefa dia nahatanteraka ny andraikiny ny Synodam-paritanin'Antananarivo andrefana. Natolony omaly ny Mpitandrina vaovao izay tonga dia mandray ny andraikiny. Tehaka mirefodrefotra no nandraisana ny Mpitandrina vaovao tamin'izany. Faly sy ravo ny Fiangonana iray manontolo fa mahatsiaro ho afa -pasahiranana sahady noho ny fitahian'Andriamanitra.


3621midi-mg-004227-6272-22072008 Komorianina roa any am-ponja
Komorianina roa any am-ponja
Naiditra any am-ponja ny talata teo ireo komoriana roalahy voarohirohy tamin'ilay raharaha fanaovana pasipaoro sandoka. Mbola mitohy kosa etsy an-daniny ny famotorana mikasika ity raharaha ity. Mbola karohin'ny mpitandro filaminana mantsy hatramin'izao ireo mpiasa eny Ivato mpiray tsikombakomba amin'izy roalahy ireto. voalaza mantsy fa niditra avy any amin'ny vavahadin'ny ASECNA ireto komorianina ireto, ary nisy teratany malagay iray niaraka taminy. Voasoratra soa aman-tsara ao amin'ny bokin'ny mpiambina ny nadalovan'izy ireo teo ary voalaza fa mpiasan'ny ASECNA hitsena ny vadiny io olona io. Ny mahavariana dia nisy fitomboky ny polisy ilay pasipaoro ary manana karatra fiondranana ara-dalana io komorianina nanao pasipaoro sandoka io. Raha tsiahivina dia ny 8 jolay izy no nivoaka teto Madagasikara tamin'ny alalan'ny pasipaoro frantsay sandoka (nosoloina ny sary) ary tratran'ny polisy frantsay tao Roissy. Mbola mandeha ny famotorana amin'izao fotoana izao hahafantarana ny olona nanome azy ireo antontan-taratasy rehetra ireo (pasipaor, karatra fiondranana, sns...). Efa nisy ihany mpiasan'ny kaompaniam-pitanterana sy mpitandro filaminana nalaina am-bavany.
Aina R.


3623midi-mg-004230-6275-22072008 Fisolokiana : Maorisianina iray voasambotra
FISOLOKIANA. Efa tonga eto Madagasika omaly hariva ny polisy maorisianina hitondra azy hiverina.
Fisolokiana : Maorisianina iray voasambotra
Voasambotry ny polisy malagasy ny alahady teo ilay maorisianina lahy voarohirohy amin'ny raharaha fisolokiana vola sy fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka tany Maurice.
Efa hatramin'ny ela no nikarohan'ny polisy maorisianina azy ity, noho io raharaha mahavoarohirohy azy io. Ny 25 aprily teo izy no nitsoaka avy any Maurice ka niditra teto Madagasikara tamin'ny alalan'ny pasipaoron'ny rahalahiny, ary tafiditra soa aman-tsara teo Ivato, na dia tsy dia mitovy aminy loatra aza ilay sary teo amin'ny pasipaoro. Efa nisy mantsy didy nivoaka tany an-toerana mandrara azy tsy hivoaka ny fireneny. Nampiasa hevi-petsy izy mirahalahy mba hivoahana ny taniny. Nandeha tany amin'ny Nosy Rodrigues izy mirahalahy, satria any mbola tanin'ny Maorisiana ka azony ivezivezena. Tany ilay rahalahiny no nividy tapakila ho aty Madagasikara, ka rehefa hanainga ny fiaramanidina dia tsy ilay rahalahiny tompon'ny tapakila sy ny pasipaoro   no niondrana fa ilay mpisoloky nitsoaka polisy ; ary dia izao izy tafiditra soa aman-tsara teto amintsika izao.
Tokotokony ho 30 taona eo ho eo ity maorisianina voasambotra ity. Ilay rahalahiny tompon'ny pasipaoro anefa efa zokiny 10 taona mahery ka mahavariana ihany hoe nahoana no tsy tsikaritr'ireo mpitandro filaminana nanao fanaraha-maso tany amin'ny seranam-piaramanidina tany an-toerana sy teny Ivato izany.
Efa mandeha ny famotorana mikasika ity raharaha ity, ary rahampitso ihany dia hoentina miverina any Maurice ity mpisoloky ity. Efa tonga omaly hariva teto amintsika mantsy ny polisy maorisiana haka azy.
Aina R.
 
Pety Rakotoniaina : Visite interdite
Pasipaoro sandoka : Komorianina roa any am-ponja


3653midi-mg-004261-6306-23072008 Zanaka mpiandry efa-dahy nanendaka pasitera ao amin'ny Toby
HALATRA. Hatraiza hatraiza no ahitana ny faharatsiana isan-karazany. Tsy aty amin'ny jentilisa ihany fa hatrany amin'ny toerana voalaza fa masina.
Zanaka mpiandry efa-dahy nanendaka pasitera ao amin'ny Toby
Raha mbola samy revo teo amin'ny fanokanana ho mpiandry ny rehetra teny amin'ny Toby Ambohimahazo, dia nojokoin'ilay ankizy vao 14 taona monja ny sakaosin'ilay lehiben'ny toby. Nisy fakan-tsary, vola ary lakile maromaro tao anatin'io. Rehefa azon'ilay mpangalatra ny entana dia natsipiny tany anaty kirihitr'ala ilay sakaosy. Rehefa izany, tonga ny namany telo hafa naka mora foana ilay kitapo.
Rehefa tratra ry zalahy ireto ka natao famotorana, dia nibaribary fa ny zanak'ireo mpiandry ihany no nanao ity halatra ity. Miisa efatra izy ireo no sarona tamin'ity raharaha ity. Ny iray tamin'izy ireo no tsy ampy taona, ilay naka ny entana io.
Rehefa azon-dry zalahy ilay sakaosin'ny lehiben'ny toby dia namidiny teny andrefan'ny STAR. Efa niparitaka anefa ny vaovao mikasika ny fahaverezana. Ilay olona nitondrana ny halatra anefa nahafantatra tsara ny tompon'ilay fakan-tsary ka nampandre azy. Dia tsy afaka nihetsika ireto zaza maditra fa noraisim-potsiny.
Tamin'ny herinadro teo no niseho ity zavatra ity. Hatraiza hatraiza, nahenoana halatra mahavoarohirohy ankizy tsy ampy taona. Efa tena miha ratsy mihitsy ve ny fiarahamonina sa sarotra ny fiainana ka lasa fitaovana ny zaza tsy ampy taona ? Raha ny vaovao re tetsy sy teroa, dia misy mihitsy ny mpamporisika ireny ankizy ireny hangalatra. Tsy eto amintsika ihany fa saika manerana ny firenena maro tokoa. Any ampita any, tsy mangalatra fotsiny ny ankizy fa mamono olona mihitsy. Fikambanan'olon-dratsy maro no efa mijoro ary sarotra ho an'ny mpitondra fanjakana ny mandamina ny raharaha.
Raha ny eto amintsika manokana dia fotoana izao andresena azy ireny tsy ho latsa-paka.
Lova 


3653midi-mg-004262-6307-23072008 Mirongatra ny endaka sy ny herisetra
Mahamasina
Mirongatra ny endaka sy ny herisetra
Tao anatin'ny iray volana izao, dia olona tsy latsaky ny folo no nahita faisana noho ny afitsoky ny mpanendaka sy ny jiolahy teny Mahamasina amin'iny faritry Tsimialonjafy iny. Nisy mihitsy aza mpiambina fiara iray voatifitra teo amin'ny sorony havia. Soa ihany aloha fa mba avotra ny ainy. Hanatitra mpiasa mody alina izy no notifirin'ny jiolahy. Efa voamariky ny rehetra nandeha tamin'ny fiara nanatitra io mpiasa alina io fa nisy scooter nanaraka ry zareo. Rehefa niala teny Mahamasina ilay mpiandry fiara no nanatitra azy tany an-tranony. Tamin'izay no namelezan'ireo jiolahy azy ireo. Lasa ny karama. Santionany amin'ny asan-jiolahy eny Tsimialonjafy ihany io. Malaza eny an-toerana ihany koa izany bandy miisa telo mitondra sabatra izany, izay manendaka eo amin'ilay lobolobo miakatra tohatoha-bato mandeha any amin'ny La Haute. Ireo olona mody hariva no tena lasibatr'ireo jiolahy. Etsy an-danin'izany, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, vazaha vavy hamonjy fodiana no nendahana jiolahy misaron-tava teo akaikin'ny EPP. Volabe no lasan'ireo olon-dratsy. Ankoatra io vazaha vavy io, dia efa nisy vehivavy telo hafa tratra torak'izay koa.



3653midi-mg-004263-6308-23072008 Halatra &quot;poteaux galvanisés&quot;, olona 15 no voasambotra 
Ambanja
Halatra poteaux galvanisés, olona 15 no voasambotra 
Poteaux galvanisés miisa 13 efa voatapatapaka, 5 kosa mbola vao. Ireo no tra-tehaky ny polisy tao amin'ny orinasa TELMA nandritra ny fanaovana fisavana tao Ambanja nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Ireny Poteaux galvanisés ireny no nanaovan'ireo mpangalatra fatapera, angady ary pommelle. Fatapera 65, angady 2 pommelles 4 no efa vita ka tra-tehaky ny mpitandro filaminana nandritra ny fisavana. Olona 15 no voarohirohy amin'io raharaha io, ka ao ny mpandrafitra ary ao koa ny mpividy. Araka ny vaovao azo teo anivon'ny polisim-pirenena tao an-toerana, dia tsy mbola hita ny tena lehiben'ireo olona voasambotra ireo. Araka ny tsaho miely ao Ambanja, dia mpiasa ao amin'ny orinasa TELMA ihany no mety ho lehiben'izy ireo. Efa ela mantsy ny nisian'izao halatra poteaux izao fa izao vao nanao operation ny Telma sy ny polisy. Efa an-dalam-pikarohana ny tena tomponandraikitra ny polisy.
V.JCL 


3653midi-mg-004264-6309-23072008 Notsatohany tamin'ny antsy ny rainy
ANDRANOMANALINA
Notsatohany tamin'ny antsy ny rainy
Naratra mafy ary mbola tsy mahatsiaro tena hatramin'izao ilay raim-pianakaviana novonoin-janany. Tovolahy vao 18 taona ity namono an-drainy ity, lehilahy lehibe efa 70 taona. Monina eny Andranomanalina izy ireo ary tsy vao sambany no nisehoan'ny famonoana toy izao, fa saika isaky ny mamon-drongony ilay tovolahy dia mamono an-drainy. Tamin'ny alahady teo dia nodarohan'ilay tovolahy io rainy io. Noveleziny tamin'ny kibay, natontony tamin'ny tany ary notsatohany tamin'ny antsy teo amin'ny sorony avy aty aoriana. Vaky noho ny fianjerany ny taola-maojan'ilay rangahibe. Nandeha rà ihany koa ny orony sy ny vavany. Nalefa eny amin'ny HJRA io rangahy io ary mbola manaraka fitsaboana. Mikasa ny hitory ilay tovolahy eny amin'ny mpitandro filaminana ny fianakavian-drainy. Marihina fa mpilalao rugby tao amin'ny ekipam-pirenena malagasy taloha ity rangahy novonoin-janany ity.



3654midi-mg-004266-6310-23072008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fampanoavana. Zandary nitifitra olona nalefa eny am-ponja. Notazonina vonjimaika eny am-ponja rehefa avy nandalo tao amin'ny Fampanoavana ilay zandary nahafaty olona teny Ivato. Ny volana aprily teo no niseho ny loza ary nitsoaka ity zandary ity. ny sabotsy teo kosa izy no voasambotra tany Antsirabe ary izao natolotra ny Fitsarana izao.
 - Vontovorona. Fitokonan'ny mpianatra. Nanao fitokonana indray ny mpianatra teny Vontovorona ny 21 jolay teo. Fitakiana amin'ny handoavana ny vatsim-pianarana volana jona sy jolay no antony nanaovan'izy ireo izany. Nidina avy hatrany namonjy ireo mpianatra nitokona ny Talen'ny CROUA sy POLYTECHNIQUES eny Vontovorana nifampidinika tamin'izy ireo ary tapaka fa homena aloha ny bourses volana jona.
 - Miarinarivo. Dahalo 10 lahy nandrava tanàna. Notafihin'ny andian-dahalo folo mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy lefona ary famaky ny tanàna tao Ambatomenaloha, kaominina Analavory, ny alin'ny 21 jolay teo. Omby miisa 48 no lasan'izy ireo tamin'izany. Nozarainy roa ny dian'omby ka ny 35 isa nianatsimo ary ny sisa ambiny nianavaratra.



3678midi-mg-004291-6334-24072008 En salle de réanimation à la Polyclinique d'Ilafy
Herizo RAZAFIMAHALEO
En salle de réanimation à la Polyclinique d'Ilafy
On ne l'a pas vu à la Résidence de France le 14 juillet dernier. Le vice-PM chargé des Affaires Etrangères qu'il était et la figure marquante de la plate-forme de l'opposition qu'il est, n'a pas non plus réagi au discours de l'ambassadeur Gildas Le Lidec. En fait, l'absence et le silence de Herizo Razafimahaleo avaient une toute autre cause. Liée à son état de santé. Le poids lourd du Leader Fanilo a été admis à la Polyclinique d'Ilafy le jeudi 17 juillet dernier. Il souffrirait d'une insuffisance rénale qui a nécessité une dialyse au lendemain même de son hospitalisation. Son corps aurait mal résisté à l'opération. Suite à une hémorragie, l'homme serait presque plongé dans le coma. Jusqu'à hier, il était toujours dans la salle de réanimation médicale, même si son état aurait connu un léger mieux à la Polyclinique d'Ilafy où son épouse et l'un de ses enfants étaient à son chevet. Midi Madagasikara lui souhaite prompt rétablissement.
Davis R.
 
Politique 

3686midi-mg-004300-6343-24072008 Efatra andro vao hita ny fatiny
Efatra andro vao hita ny fatiny
  Mpiasa mpamaofy voanio amin'ny orinasa Soavoanio Sambava no fototr'asan'ny tovolahy iray 21 taona. Sady mahay manarato koa. Nanarato tao amin'ny renirano Andamoty ilay tovolahy, herinandro maro lasa izay, ary tsy niverina mihitsy. Ny lakana nentiny anefa hita amin'ny sisindrano ary tsy lavitra amin'ny toerana nandatsahany ny haratony, nony nikarohana azy ny ampitson'ny andro nandehanan' ilay tovolahy. Ny zoma dia niteny ny mpimasy nisikidy momba ilay tovolahy ka tao ny nilaza fa mbola velona izy fa nafenin'ny lolon'io renirano io, tao koa ny niteny fa efa maty izy io sns ...Efatra andro taty aoriana vao hita teny amoron'ny renirano Andamoty nanaratovany ny fatin'ilay tovolahy ary nanjavona ny filahiany.
Misy tompony
Misy tompony manamasina azy marina tokoa ny renirano telo mifampitohy eo akaikin'ny renivohitr'i Sambava, dia ny ao Antohomaro, Andamoty ary Ankidihidy. Tsy tian'io rano io ny mpivahiny mandro ao aminy sy ny olona manao lamba mena sy mitondra volamena raha mita lakana eo amboniny. Ankoatra ny fanimbazimbana ny toerana sy ny laoka avy ao dia saika ireo antony tanisaina ireo no nahafaty azy efadahy tato aoriana tato. Efa nisy ihany koa, hoy ny mponina ao sy ny mpahalala, fa ny lolo amin'ireo renirano ireo dia efa nampanonofy ny havana sy raiamandrenin'ny mpanarato manao ny tsy mety amin'ireo renirano ireo ka nilazany hoe  mba anaro ny havanareo amin'ny haitraitra ataon'ireo aty am-panaratovana aty. Ny mba matahotra sy manaja ny fomba dia nitantara fa misy amin'ireo mpananarato ireo no miteny eny am-panaratovana ka manao hoe  adala ianareo laoka ireto, mivandravandra aty amin'ny faritra andatsahako harato ka izao ianareo izao dia azo, mbola mirenirene toy izao ihany koa amin'ny sisa sns... Tsy ireo renirano ireo ihany anefa no masina sy misy fombafomba tokony harahina fa maromaro no fantatra ary samy amin'ny fombany avy .
REMI, Rakotonirina


3686midi-mg-004301-6344-24072008 Fatin'olon-droa vao maraina
Vohemar.
Fatin'olon-droa vao maraina
REMI, Rakotonirina


3687midi-mg-004303-6346-24072008 Dimy lahy mirongo basy nanafika tranom-bazaha
ITAOSY. Mbola tsy hita ny efatra amin'ireo nanafika hatramin'izao.
Dimy lahy mirongo basy nanafika tranom-bazaha
Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teny Itaosy omaly. Tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro teo no niseho ny fanafihana. Jiolahy miisa dimy ary mirongo basy no nanafika tranom-bazaha. Nitondra fiara ireto mpanafika ireto ary navelan'izy ireo teo am-bavahady izany. Nisy nahatsikaritra anefa izy ireo ka nampandrenesina haingana ny mpitandro filaminana. Mbola tsy nahavita na inona na inona akory ireto jiolahy ireto dia efa tonga teny an-toerana ny zandary. Raikitra ny fifanenjehana ka nirifatra nandositra ireo mpanafika. Samy niparitaka izy ireo ka nisy iray tafiditra tany anaty tambohon'olona ary tsy nahita lalana hombana intsony. Voatery nanapoaka basy ny zandary hampijanonana azy ka lavo tamin'ny tany ity farany. Voasambotra ilay jiolahy ary rehefa nojerena dia naratra mafy ka voatery nalefa eny amin'ny hopitaly. Ireo namany efa-dahy kosa tafaporitsaka ary mbola tsy hita hatramin'izao.
Nametraka sakana manodidina ny tanàna ny zandary saingy tsy nahitam-bokany izany. Ilay jiolahy maratra kosa mbola tsy azo nalaina am-bavany, saingy inoana fa tsy maintsy hanoro izay misy ny namany ilay io.
r.s.
Vohemar : Fatin'olon-droa vao maraina


3700midi-mg-004317-636-02012008 Olona 4 maty, 137 naiditra hopitaly
Olona 4 maty, 137 naiditra hopitaly
Olona roa matin'ny toaka. Olona roa hafa maty nianjera sy nifamono, marary 137 naiditra hopitaly, ary olona iray nikasa hamono tena. Ireo no tena nisongadina nandritra ny fetin'ny faran'ny taona sy ny fandraisana ny taona vaovao. Marary nandalo tetsy amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Ampefiloha avokoa ireo, nanomboka ny tontolo andron'ny 31 desambra ka hatramin'ny omaly tamin'ny 4 ora tolakandro, fotoana nandalovanay teny. Marary roa tamin'ireo efatra nampidirina reanimation médicale, no namoy ny ainy ary saika vokatry ny toaka be loatra avokoa no nahatonga izany. Efa nanao izay tratry ny heriny ny tao amin'ny hopitaly saingy tsy tana ny ain'ireo narary.  
Nifamono
Fifamonoana tany anaty trano fisotroana teny Mandroseza kosa no antony nahafaty ilay olona iray nisy nanatitra teny amin'ny tranom-paty. Nifamaly tamin'olona tany am-pisotroana tany ranamana. Raikitra ny korontana sy ny fifamonoana, ka nisy nively tavoahangy ny fihirifany. Naratra mafy izy vokatr'izany ary izao niafara tamin'ny fahafatesana izao. Omaly tokony ho tamin'ny 4 ora maraina tany ho any no nisy nanatitra teny amin'ny tranom-paty ny razana. Ny olona fahefatra namoy ny ainy kosa dia vokatry ny fianjerana tany an-trano. Monina eny Ambohibao izy ity. Tsy voafaritra mazava ny anton'io fianjerana io sy ny fizotrany, fa nentin'ny olona teny amin'ny hopitaly izy tokony ho tamin'ny 2 ora maraina hotsaboina saingy tsy tana ny ainy.
Namono tena
Nandritra iny alin'ny 31 desambra iny kosa dia olona iray no nikasa hamono tena tamin'ny alalan'ny fihinanana fanafody. Voatsabo ara-potoana anefa izy ka avotra soa aman-tsara ny ainy. Olona iray hafa ihany koa voapoizin'ny sakafo ary nentina notsaboina teny amin'ny HJRA. Natao ny fandiovana vavony sy ny fitsaboana rehetra ary efa salama tsara ny marary amin'izao fotoana izao. Ankoatra ireo, olona 137 hafa nentina notsaboina teny Ampefiloha. Tao ny naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tao ihany koa ny naratra vokatry ny fianjerana sy ny ady madinika nifanaovana teny an-dalana sy ny tany an-trano. Nisy tamin'ireo ny naratra tany am-piasana. Misy ny nararin'aretina ka nilana fitsaboana na fandidiana haingana. Nisy tamin'ireo marary rehetra nandalo teny amin'ny HJRA nandritra iny fetin'ny faran'ny taona iny no efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nisy kosa anefa no tsy maintsy mbola notazonina teny amin'ny hopitaly manaraka fitsaboana mandra-pivoatran'ny fahasalamany. Fehiny: tsy nandry andro, tsy nandry alina ny teny amin'ny HJRA nandritra iny fetin'ny faran'ny taona iny, noho ny hamaroan'ny marary. Tao ny avotra soa aman-tsara, tao kosa ny namoy ny ainy.
Aina R.
Lire aussi
Alasora : Rongony 4000 fototra


3710midi-mg-004328-637-02012008 Ho taona mainty sy fotsy ny 2008
MME SHABBERAH
Ho taona mainty sy fotsy ny 2008
Milaza ny fahitany ny taona 2008 toy ny fanaony isaky ny fiandohan'ny taona Ramatoa Shabberah mpaminany. Ho taona mainty sy fotsy ity taona 2008 ity. Hizara roa toy ny firafitry ny isa valo, izay mizara roa eo afovoany. Hisy ny zava-tsoa ho azon'ny tsirairay, hisy koa anefa ny loza voajanahary hiseho, hoy izy mamintina ny fahitany.
Mafy tamintsika ny nitsipaka iny taona 2007 iny, izay taona mahery. Manaporofo izany ireo faty olona marobe nandritra ny fetin'ny faran'ny taona, ny ranobe, sy korontana tetsy sy teroa. Ho tsara fiandohana kosa ity taona ity. Taona fanombohana vaovao indray ity, araka ny voalazan-dramatoa Shabberah, ka noho izany mila miasa mafy ny rehetra, indrindra indrindra ireo olomboafidy vao napetraka tamin'ny toerany sy ny fitondram-panjakana.
Hanamaizina ity taona ity kosa anefa ny fisehoan'ny loza voajanahary any amin'ny fisasahan'ny taona any. Tsy voatery ho eto Madagasikara io fa manerana izao tontolo izao.
Ankoatra ireo, mitohy hatrany ny asa fanasoavana sy fanasitranana ary ny fijerena ny ho avy ataon-dramatoa Shabberah. Hanamarika izany ny fananganana toby fivavahana lehibe.
Aina R.
 


3719midi-mg-004338-6379-25072008 Vola sy kara-panondro sandoka, Kaomorianina iray voasambotra
HOSOKA. Tsy ny tompon-tany ihany no fantatra fa manao hosoka eto amintsika. Maro ireo vahiny efa tratra nanao izany.
Vola sy kara-panondro sandoka, Kaomorianina iray voasambotra
Kaomorianina iray no nosamborin'ny polisy avy ao amin'ny SUT (Sûreté Urbaine Tsaralalàna) tamin'ny alarobia lasa tao amin'ny hotely Radar Tsaralalàna. Fantatra izy io fa manaparitaka vola sandoka 10 000 Ar. Vehivavy niara-natory taminy no voany. Ankoatra ny vola sandoka, dia nahitana kara-panondro sandoka ihany koa tany aminy.
Voalaza fa metisy ity lehilahy ity. Tonga eto an-dRenivohitra izy ary mihevitra ny ho any Mananjary rehefa avy tany Mahajanga. Nila vehivavy izy. Raikitra ny varotra. Niara-natory taminy ny tovovavy iray. Vola 30.000 Ar no nifanarahan'izy ireo. Tonga ny tamin'ny 3 ora maraina, nandeha namonjy fodiana ilay vehivavy ka nandray taxi. Teny an-dalana anefa naka lasantsy ilay mpamily ka ny vola tany amin'ilay vehivavy no nandoavana izany. Tamin'izay no tsikaritr'ilay mpivarotra lasantsy fa sandoka ilay vola nomena azy. Teo vao gaga ilay vehivavy. Avy hatrany izy dia nametraka fitoriana tany amin'ny polisy. Teo noho eo ihany dia nosamborina tao amin'ilay hotely ilay Kaomorianina.
Rehefa nosavana ny entany dia mbola nahitana vola sandoka 10.000 Ar miisa 33, ary ody gasy maromaro. Nolazainy fa hiarovany tena ireo zavatra ireo.
Anjakan'ny mpanao hosoka eto amintsika. Maro ireo vahiny, indrindra fa ny avy ao Afrika no mihevitra hanorom-pangady amin'ny tany malemy.



3720midi-mg-004340-6380-25072008 Olona roa maty tanaty fota-mandrevo
Sambava
Olona roa maty tanaty fota-mandrevo
Olona roa no fantatra fa maty tao anaty fotaka saika hanaovana biriky tany amin'ny tanàna atao hoe Antsirapotaka Anjiolavabe any Sambava. Nahavariana ny mponina ihany ny fisehoan-javatra tamin'ny faha-17 jolay lasa teo. Ana rafotsy be maty tamin'ny volana janoary 2008 io tany saika hanaovana biriky io, izay mirefy 3 ha. Tsy mitovy hevitra anefa ny mpandova. Ny sasany te hivarotra, ny hafa tsy manaiky izany noho ny tany mbola tsy voazara. Dia raikitra ny fifandirana.
Ireo an-daniny hivarotra nahita mpividy ary dia namidy tokoa ny tany. Nosakanan'ireo an-kilany anefa izany. Ireo mpividy anefa efa nanomboka nanao biriky tamin'ny fiandohan'ny volana jolay na dia efa norarana aza.
Nilentika
Teo no nitranga ny loza. Tamin'ny tapaky ny volana, nilentika ho azy tao anaty fotaka ny olona roa. Natao ny famonjena azy nefa dia matin'ny fahasemporana tanaty tany mandrevo tao ry zareo.
Mandeha ny resaka isan-karazany. Nahazo tsiny ve ireo mpividy ireo satria na dia efa nisy ampahany tsy nanaiky aza tamin'ireo mpandova dia mbola nisisika ihany ? Ny anaran'ilay toerana koa hafahafa ihany satria antsoina hoe Antsirapotaka. Maty tsy nahalala koa ireo mpanao biriky fa mandrevo ilay toerana.
Tombantomban'ny olona ihany izany.
Mamy A. 


3721midi-mg-004342-6382-25072008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fanafihana teny Itaosy. Hita ilay basy. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon'ny zandary mikasika ilay fanafihana mitam-piadiana teny Itaosy afakomaly. Hita ankehitriny ny basy PA 9mm vita gasy sy ireo bala miisa 6 nentin'ireo jiolahy nanafika.
 - Hosoka. Vehivavy roa natolotra ny Fitsarana. Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo vehivavy roa voarohirohy amin'ny raharaha fanaovana hosoka. Nanao taratasy fiantsoana sandoka mankany amin'ny Tribonaly izy roa ireto mba hanerena olona hanome vola azy. Na ny tao amin'ny Fitsarana na ilay olona voasoloky dia samy nitory.


3736midi-mg-004358-6400-26072008 Fanafihana : Olona roa naratra
Fanafihana : Olona roa naratra
Jiolahy raindahany miisa telo, mitondra fitaovam-piadiana no niditra ankeriny tamina tokantrano iray miaraka. Raikitra avy hatrany ny fifanjevoana satria nisy tovolahy natanjaka iray tao an-trano, niantso vonjy kosa ity renimpianakaviana. Nanapoaka basy ireo mpanafika ka voa ilay tompon-trano ary nidaraboka tamin'ny tany. Ilay renimpianakaviana indray   notsindronin'ireo jiolahy sabatra ka voa tao amin'ny lamosiny, ary mbola nodarohiny tamin'ny vatankazo ka tsy nahatsiaro tena intsony. Tsy nisy nahasahy nivoaka ny manodidina noho ny tahotra ny poa-basy. Navoakan'ireo jiolahy ny omby miisa   9 mianaka ary napoakan'izy ireo indray ny basy   ka toran-kovitra ny manodidina. Lasa nirifatra nandositra amin'izay ireo jiolahy miaraka amin'ny omby. Ilay ramatoa be no tena voa mafy tokoa   satria teny amin'ny hopitaly vao nahatsiaro tena. Ilay tovolahy kosa safotra noho ny daroka sy ny hatairana fa tsy nahavoa azy akory ilay tifitra .Ny harivan'ny alahady 13 jolay tokony tamin'ny 6 ora hariva no nitranga ny loza.Tao amin'ny   fokontany Ampilaoana - Amparafaravola. Basy vita gasy no nampiasain'ireo jiolahy.
Janus R.


3736midi-mg-004359-6401-26072008 Mpangarom-paosy navotan'ny olona
Ambodimita. Nisinda ho azy ny hatezeram-pon'ireo nanenjika ity mpangalatra nony farany ary nifanampy indray aza tamin'ny fitondràna azy teny amin'ny hopitaly...
Mpangarom-paosy navotan'ny olona
Tsy nisy tao an-dohany intsony araka izany ankoatra ny nanavotra ny ainy. Nandeha ny hazakazaka tsy an-kijanona, tsy afaka nandinika izay mety ho vita sy tsy vita intsony ny lehilahy. Nitsambikinany hatramin'ny tamboho avobe. Vokany, tapaka ny ranjony ary dia tapitra hatreo ihany koa ny fitsoahany. Lasa saron'ny olona mora foana teo mazava hoazy. Saingy ny nahagaga dia ny fiovan-javatra tampoka. Raha tezitra sy nafana rà ireo olona nanenjika tany am-boalohany dia lasa nitsetra azy kosa ireo rehefa nahita fa tena voa mafy izy. Samy namonjimonjy teo indray ary nifanome tànana tamin'ny fitondràna ny marary teny amin'ny toeram-pitsaboana. Tsy fahita firy...  
D.R


3736midi-mg-004360-6402-26072008 Mpiasa efa-dahy nangalatra entana mitentina 50 tapitrisa
Mpiasa efa-dahy nangalatra entana mitentina 50 tapitrisa
Aina R.
Fanafihana : Olona roa naratra


3742midi-mg-004367-6410-28072008 Notsatoany antsy ny kibony, avy eo nodidiny ny tendany
Ambatondrazaka
Notsatoany antsy ny kibony, avy eo nodidiny ny tendany
Voadidy lalina ny tendany ,loaka ihany koa ny kibony manoloana ny foatrany ,antsy lava lela maranitra mihosindra no teo akaikiny ,efa tsy mahatsiaro tena intsony ilay tovolahy vao herotrerony,no hitan'ireo havany  
Hatairana ny an' ity renim-pianakaviana raha handeha hisolo   ny lamban-janany tao amin'ny trano misy azy ireo   satria mihidy avy any anatiny ilay trano , fantany anefa fa ny anadahany no niditra tao amin'ilay trano .Niantsoantso ilay anadahany izy anefa tsy nisy namaly ,niantso ny vadiny izy, avy eo dia nopotsihana ilay trano ary lasa niverina niasa ilay vadiny izay mandrafitra eo antokotany ihany .Avy hatrany dia niditra ny trano ilay renim-pianakaviana dia nametraka ilay zaza hosoloina, kinanjo taitra izy nahita ilay anadahany efa mihosindra ny tendany .Niantso ny manodidiuna izy ka avy hatrany dia noentina teny amin'ny tobi-pahasalamana   kinanjo vatana mangatsiaka no tonga teny .Ny marainan'ny zoma 25 jolay tokony tamin'ny 9 ora tany ho any no niseho tao Amparikely   Ambatondrazaka izao   trangan-javatra izao .Araky ny nambaran'ny manodidina moa dia misy olana   eo amin'ny fianakaviana ity tovolahy ity   ka mety izay no namonoany   ny tenany ary salama saina tsara ,tsy mikitika ihany koa ireny zava-mahadomelina ireny ,   fantatra ihany koa   fa bevohoka iray volana ny vadin'ilay tovolahy maty
Janus   R


3742midi-mg-004368-6411-28072008 Zazavavikely 11 taona maty nianjeran'ny lakroam-pasana
Alarobia
Zazavavikely 11 taona maty nianjeran'ny lakroam-pasana
Loza niseho tetsy Alarobia - Amboniloha ny tolakandron'ny sabotsy teo. Zazavavikely 11 taona no maty nianjeran'ny lakroam-pasana. Niara-nilalao tamin'ny namany teo izy no nianjera tampoka tany aminy ilay lakroa vita amin'ny  beton . ny lohany no voa ka naratra mafy. Nifamonjen'ny olona teo izy ary nentina haingana teny amin'ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Araka ny nambaran'ny mponina eny amin'ny manodidina dia toerana filalaovan'ny ankizy ity toerana nahavoa azy ity. Ary samy nametra-panontaniana ny rehetra amin'ny antony mety hampianjera ilay lakroa. Misy aza no sahy minomino foana fa hoe misy zavatra hafahafa eo amin'ilay toerana. Hafa kely tokoa aloha ny fomba nahafatesan'ilay zazavavy ê! Aiza ve ka lakroam-pasana no mamono azy, tsy izy irery anefa no nilalao teo tamin'io fotoana io fa ankizy maromaro, saingy izy irery ihany no voa. Izany tokoa angaha ilay hoe torabato avy any an-danitra.
Behoririka
Ankoatra izay, dia nahitana fatina tovolahy kely koa omaly teny Behoririka. Manodidina ny 15 taona eo izy io, ary tsy mbola fantatra hatramin'izao izay antony nahafaty azy. Naman'ireny zaza mpirenireny eny an-tsena ireny izy ary tsy fantatra ihany koa ny raiamandreniny. Nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana.
Aina R.    
Faist divers 

3765midi-mg-004392-6436-30072008 Olona 10 maty, 28 naratra mafy
Ihosy
Olona 10 maty, 28 naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona am-polony tany Ikelivondraka, faritr'Ihorombe, omaly maraina. Nivadika ambony ambany ny kamiao nitondra ireo olona ireo. Vokany, olona 10 no maty teo noho eo, 28 hafa naratra mafy. Ny 3 tamin'ireo tsy maintsy nalefa any Fianarantsoa noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Kamiao mpitondra entana io niharan-doza io. Niala tany Fianarantsoa ho any Toliara ilay fiara. Ankoatra ny entana nentiny anefa dia nisy olona miisa 38 tao anatiny. Voararan'ny lalàna anefa izany. Ahitana soratra mivandravandra ireny fiarabe ireny manao hoe Tsy minday passage. Raha atao indray mijery, be loatra ny vesatra nentin'ilay fiara ka nahatonga ny loza.
r.s.


3765midi-mg-004393-6437-30072008 Nisy namaky ny Celtel, very ny Ar 4 tapitrisa
Nisy namaky ny Celtel, very ny Ar 4 tapitrisa
r.s.


3765midi-mg-004394-6438-30072008 Tovovavy 16 taona bevohoka namono tena
Tovovavy 16 taona bevohoka namono tena
Vao 16 taona ary mbola mpianatra ity tovovavy ity nefa dia bevohoka. Rehefa hitan'ny reniny izany dia namono tena izy. Tsy nijanona teo ny raharaha, afaka tapabolana, novonoin'ny anadahiny ilay rain-janany. Zavatra nampalahelo no niseho tany Ankitsaka Andrafialava any Ambilobe. Tapa-bolana lasa izay, tamin'ny fotoana nandroany no nahitan'ny reniny fa efa mibontsina ny kibony. Taitra ramatoa ka nanontany azy. Niaiky rakalakely fa bevohoka. Tamin'ny resaka nifanaovan'izy mianaka no nahalalan'ilay ramatoa fa olona eo an-tanàna ihany no nahabevohoka ny zanany. Olona anisan'ny tsongoin'olom-bolo.
Namono tena
Asa na noho ny tahotra, na nokaikerin'ny neniny ilay tovovavy fa rehefa tonga ny alina dia nihinana poizina izy. Hitan'ny fianakaviany ihany izany. Natao avokoa ny famonjena azy. Nampandoavina, nentina tany amin'ny dokotera saingy tsy tana ny ainy. Roa herinandro taty aoriana anefa, izany hoe tamin'ny alakamisy 24 jolay teo, nitsiry tao an-dohan'ny anadahin'ilay tovovavy ny valifaty. Narahany tany an-tsaha ilay olona nahabevohoka ny anabaviny. Notombohany angady teo amin'ny tongony sy lamosiny io rangahy io. Mbola nokapohany tamin'ny zaran'angady indray avy eo ka maty tsy tra-drano. Rehefa vita ny valifatiny dia nandositra izy. Mbola karohina izy hatramin'izao.
Mamy A.
Ihosy : Olona 10 maty, 28 naratra mafy 


3766midi-mg-004396-644-02012008 Le reveillon en photos
Le reveillon en photos
 
Culture 

3775midi-mg-004406-645-02012008 Rongony 4 000 fototra !
Rongony 4 000 fototra !
Saron'ny zandary - avy amin'ny fiaraha-miasany tamin'ny fokontany tao Antsahavory-Ambohijanaka - ny fototra rongony marobe. Nampifangaroany tamin'ny mangahazo sy tsaramaso izy ireo mba hanakonana azy. Tamin'ny tany mirefy 1ara no nambolen-drangahy ireo zava-mahadomelina ireo. Nahazo vaovao ny zandary momba io toe-javatra io. Nohamarinina ary dia nitombina tokoa ny fisiany. Naiditra am-ponja vonjy maika ilay rangahy tompon'antoka ary nodorana ampahibemaso kosa ireo zava-mahadomelina. Fa ny tena mahavariana dia ny fahasahian'ilay rangahy : tsy lavitra akory an'andrenivohitra dia sahy mamboly rongony. Amin'izay indray tsy mba kelikely fa marobe. Izany hoe, heverina fa efa fivelomany mihitsy ity karazam-pambolena iray ity. Porofo ihany koa ny toa izao fa mahomby ny fiaraha-miasan'ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Tsy maintsy avy amin'ny fokontany hatrany mantsy no hivoahan'ny vaovao ilain'ny pôlisy na ny zandary. Izany hoe, raha tsy misy ny finiavana avy amin'ny olona ao an-tanàna mba hampita ny zava-misy hitany sy reny dia tsy handroso mihitsy ny ady amin'ny asan-jiolahy sy ny mpanao ratsy.
D.R


3815midi-mg-004447-6518-31072008 Zandary sandoka 5 nandroba tamina basy kilalao
ASAN-JIOLAHY
Zandary sandoka 5 nandroba tamina basy kilalao
Zandary sandoka telolahy niaraka tamin'ny namany roa no fantatra fa nanafika tany amin'ny tanàna atao hoe Ankilahila, kaominina Betsako Mahajanga II, ny 27 jolay teo. Voasambotra anefa izy ireo rehefa nihetsika ny ankolafin-kery niaraka tamin'ny mponina any an-toerana.
Tamin'io alina io, tonga ireto bandy ireto nanao fanamiana zandary. Nitondra basy poleta sy antsy lava ry zalahy. Fiara R 12 no niandry azy ireo teo ivelany. Nisy nahatsikaritra izy ireo tamin'izany ary io olona io no niantso avy hatrany ny Ben'ny tanàna izay tany Mahajanga. Raha vao naharay ny antso ny Ben'ny tanàna dia nampilaza ny zandary. Tsy niandriandry ny lehibe fa nandefa ireo hery mifangaro tao aminy (éléments mixtes) nahitana zandary, miaramila ary polisy. Napetraka eran'ny lalana ny sakana ary nosavaina avokoa ny fiara mitodi-doha ho any Mahajanga.
Nahitana vokany izany ka samy tratra izy dimy lahy. Sarona ihany koa ny basy tany amin'izy ireo. Teo vao fantatra fa hay kilalao no nampitahorany ny olona norobainy ireo. Hita tamin'ny fisavana koa ny akanjo miaramila (tenue de combat) telo, antsy lava, firavaka volamena iray boaty ary vola Ar 68 600.
Tamin'ny talata no nentina tany amin'ny mpitsara mpanao famotorana any Mahajanga ireto jiolahy ireto.



3815midi-mg-004448-6519-31072008 Lasa ny vadiny, nananton-tena rangahy
Sambava
Lasa ny vadiny, nananton-tena rangahy
Rehefa tafaverina avy nanatrika fety ny raim-pianakaviana iray, dia napatoriany ny zanany ary lasa nananton-tena izy. Maty vokatr'izany ity lehilahy ity.
Efa taona maro no nivadian'ireto olona mipetraka any amin'ny tanàna atao hoe Anjijaomby any amin'ny faritry Sambava. Tsy dia tsara fitondran-tena loatra anefa ramatoa fa matetika no miaraka amin'olon-kafa. Rehefa avy manao ny ataony anefa izy dia mody ao an-tokantranony ihany, izany hoe ao amin-drangahy vadiny. Tamin'ny alahady teo, nisy mariazy tany amina tanàna iray ary voasa tamin'izany izy mivady. Rehefa tao amin'ilay fety anefa, tsy hita tampoka ramatoa. Niandry rangahy saingy tsy niverina izy. Rehefa nody izy dia mbola tsy hita tao an-trano ihany ramatoa. Nampatoriany ny zanany ary dia io izy namono tena io.
Ilay zanany taitra no nahita izany ary nampandre ny olona teo an-tanàna. Ilay ramatoa kosa mbola tsy niverina hatramin'izao.
Remi R. 


3816midi-mg-004450-6520-31072008 Adala nitoraka ny fiaran'ny Filoha
Antsirabe. Maro ny olona tsy salama saina mirenireny eran'ny arabe indrindra amin'ny tanàn-dehibe.
Adala nitoraka ny fiaran'ny Filoha
Tamin'ny sabotsy lasa teo, raha nandalo teny amin'ny  Piste Vatofotsy handeha hitokana ny tranompokonolona Antsirabe ny Filoha Ravalomanana no nisy olona iray nitoraka ny fiara nitondra azy. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Mbola nahavita nandaka ny fiaran'ny Filoha ihany anefa ity olona ity. Farany, voafehy ihany izy. Afaka nanohy ny diany ny Filoha sy ireo mpanaraka azy.
Adala
Ny polisy avy eto amin'ny tanànan'Antsirabe no niandraikitra ny fisamborana ity olona ity. Araka ny fantatra, dia tsy nanandrana nandositra akory izy rehefa avy nitoraka. Tapaka nandritra ny famotorana azy fa hoentina hozahan'ny dokotera izy. Taorian'ny fizahana dia nilaza ilay mpitsabo fa marary saina ity tovolahy ity. Nitondra azy tany Anjanamasina Antananarivo ny polisy taorian'izany.
Nisaraka
Ny vaovao no nahalalana fa efa nisaraka ela ny ray aman-dreniny ary dia mirenireny eran'ny tanàna no ataon'ity tovolahy ity. Mety ho avy amin'izany tsy filaminan'ny tokantranon'ireo nahitany masoandro ireo ve no nampikorontana ny sainy? Eo am-pikarohana ny marina amin'ny antony nitorahan'ity lehilahy ity ny fiara ny mpitandro ny filaminana.
Lova 
Lire aussi - Sambava : Lasa ny vadiny, nananton-tena rangahy 


3825midi-mg-004460-6531-01082008 Vazaha maro nandositra volana taxi
HAFAHAFA. Tsy ny olona aty amin'ny tany mahantra ihany no tsy manam-bola fa na ny vazaha koa aza maro no tsy mahefa raha.
Vazaha maro nandositra volana taxi
Hafa raha samy hafa ity tranga omaly ity. Tsy nohefain'ireo vazaha marobe ny volan'ny taxi nitondra azy ireo. Lasa nandositra ry zareo raha vao tonga teny amin'ny toerana nalehany.
Omaly, nisy andiana mpizaha tany maro dia maro naka taxi teny amin'ny faritry ny 67 Ha. Ho aty Analakely, ho ao amin'ny hotely iray izy ireo. Dia nanakana fiara hitondra azy izy ireo. Taxi efatra vao nahazaka an'ireto vahiny ireto. Raikitra ny varotra. Ar 8 000 ny sarandalana isaky ny fiara. Nandroso ny dia. Rehefa tonga taty Analakely anefa, nirifatra nandositra tsy nisy nandoa voala ireto vazaha ireto. Gaga fotsiny ireo mpamily efatra. Mba tena hafa mihitsy ity zavatra ity.
Tsy niandry fotoana kosa ireo mpitondra taxi fa nametraka fitarainana tany amin'ny polisy izay tsy lavitra teo amin'ny toerana nandosiran'ireo vahiny. Tsy niandry ela toy izany koa ny mpitandro filaminana fa nandeha nikarotra ireo olona tsy nahaloa ny saram-pitanterana. Nahitana vokany izany. Omaly hariva ihany dia hita ary nosamborina ny efatra tamin'izy ireo.
Fetsy ratsy
Samy gaga sy talanjona avokoa ireo rehetra nahafantatra ity vaovao hafakely ity. Toa mivadika ny rasa. Ireny vahiny tonga mizaha tany ireny mantsy no malaza ho be vola. Raha tsy manana izany koa tsy ho tonga aty an-tany lavitra aty. Tsy mazava tsara anefa ny antony nanaovan'izy ireo ity zavatra ity. Ho an'ny mpitazana dia hafetsena ratsy fotsiny izao. Mihevitra angamba izy ireny fa tsy ho sahy hanao na inona na inona ireo mpamily, ary dia ho mora hambakaina. Voizin'ireny vahiny ireny matetika fa aty amin'ny tany mahantra tsy misy zavatra mandeha amin'ny tokoy ho izy. Azo atao avokoa izany ny fanambakana isan-karazany.
Ny mpitazana ihany koa anefa no manombana fa ankevitry ny lany vola ireto vazaha ireto ka dia mandositra fotsiny izao. Dia mihevitra fa ho vita mora foana eo ny fandehanjavatra.

Lire aussi - Sotasota : Tapaka niala ny tanan'ilay rangahy voakapa antsy - Mananjary : Mpiady volamena maty tototry ny tany - Tapatapany - Brève 


3825midi-mg-004461-6532-01082008 Tapaka niala ny tanan'ilay rangahy voakapa antsy
Sotasota
Tapaka niala ny tanan'ilay rangahy voakapa antsy
Sangy ratsy tokoa no nataon'olona iray. Nivoaka avy any anaty ala any izy, nandalo teo amina fiara mijanona ary nokapainy antsy avy hatrany ny tanan'olona tao anaty fiara. Tapaka tarangana izany ary dia tsy maintsy nentina haingana tany amin'ny dokotera. Feno rà ny arabe sy ny vatan'ilay fiara.
Omaly alarobia tokony ho tany amin'ny 11 ora tany no niseho ity sotasotam-pihainana ity. Fiara 505 iray nitondra olona avy any Antalaha ho any Sambava no sendra izany. Teo anelanelan'ny tanana atao hoe  Ambody Pont sy Farahalana, nijanona kely ny mpamily hivalandrano. Teo amin'ny devant nisy rangahy iray nipetraka. Tsy mba nivoaka izy io sy ireo mpandeha hafa. Tamin'izay fotoana izay, iny nisy lehilahy efa lehibe satria tombanana any amin'ny 70 taona any, nivoaka avy any anaty ala. Nivimbina antsy ilay izy. Nandeha moro nilamina tsara ity olona ity. Rehefa teo amin'ny tandrifin'ilay olona teo amin'ny devant anefa, nokapainy tamin'ny antsy teny aminy ny tanan'ilay olona. Vaky vokatr'izany koa ny fitaratra. Rehefa izany, iny izy lasa nirifatra nandositra. Tsy nisy nahahetsika ny iray fiara. Elaela vao tonga saina nikoropaka namonjy ilay voakapa. Nofonosina lamba ilay tanana tapaka ary nandeha haingana namonjy tanana misy dokotera.
Ny zavatra mahavariana tamin'ity sotasota ity, tsy nisy na dia iray aza nahatsiaro ny endrik'ilay rangahy nikapa. Ny bikabikany fotsiny no azo sary an-tsaina.
Mamy A. 


3825midi-mg-004462-6533-01082008 Mpiady volamena maty tototry ny tany
Mananjary
Mpiady volamena maty tototry ny tany
Tovolahy iray 20 taona mpiady volamena no maty tototry ny tany tamin'ny faha-26 jolay. Tany amin'ny kaominina Morafeno any Mananjary no niseho ny loza. Ratsy dia ratsy tokoa ny andro tamin'io fotoana io. Ny marina, tsy azo atao ny mandeha miady lavaka amin'ny fotoana toy izany. Nikiry biby ihany anefa ny anao lahy ary tsy vitan'izany fa nandeha irery izy. Misy zavatra tsy maintsy atao rehefa midina any anaty lavaka any. Fatorana kofehy izay midina ary avela eny ambonin'ny tany ny lohan'izany tady izany.
Efa nanomboka ho hariva ny andro, tsy mbola nody ihany ilay tovolahy. Taitra tamin'izany ny fianakaviana ka nandeha nitady azy. Io ny ambina tady hitan'ny olona. Nosotonina ka somary navesatra ary tsy nisy namaly. Teo vao samy tonga saina ary niezaka nidina tany ambany tany. Nojerena ka vatana efa tsy misy aina intsony no hita. Nampiakarina ny razana. Tsy fantatra na efa naharitra ora firy izy no tototra tao.
Anisan'ny toerana be volamena tokoa ny any Morafeno. Izany no mandrisika ny olona hanao vy very ny ainy hitrandraka ity zavatra ity. Araka ny tarehimarika fantatra dia mahatratra hatrany amin'ny 300 kg isan-taona any volamena azon'ny olona any amin'io faritra io ary amin' ilay karazany tsara indrindra mahatratra 18 carats.
HAR 


3825midi-mg-004463-6534-01082008 Tapatapany
Tapatapany
 - Fitsarana, sinoa naiditra am-ponja. Notontosaina omaly ny fitsarana ilay raharaha nahavoarohirohy sinao roa. Nampangaina izy ireo fa nangalatra vola 12 tapitrisa Ar tao amina trano iray. Naharitra hatrany amin'ny ora roa mahery ny fotoam-pitsarana. Ny antony, tsy nifankahazo mihitsy ny resaka natao. Tsy mandeha amin'izay izy ny fandikana teny nataon'ireo olona nanao izany. Tsy maintsy naverimberina ny fanontaniana sy ny fanazavana. Ny zavatra re teny amin'ny fitsarana dia hafa mihitsy. Hay ilay vehivavy voatory no tompon'ilay orinasa mpanao vato. Amin'ny faha- 7 aogositra izao no hivoaka ny didy. Miandry izany any am-ponja ilay vehivavy. Ilay sinoa lahy kosa nahazo fahafahana vonjy maika.



3849midi-mg-004488-6559-07082008 Un nouvel Ambassadeur à la mi-octobre
Suisse -Madagascar
Un nouvel Ambassadeur à la mi-octobre
Politique 

3856midi-mg-004496-6566-02082008 Maty voan'ny  fiandry  rehefa avy nanao firaisana
FAHAFATESANA. Tena mahay zavatra mihitsy ny olona. Tsy nanampo na inona na inona ny olon-droa niaraka. Niafara tamina fahafatesana izany.
Maty voan'ny  fiandry  rehefa avy nanao firaisana
Mamy A.


3885midi-mg-004526-6596-04082008 Lasan'ny mpandroba ny vola sy ny fiara
Fanafihana
Lasan'ny mpandroba ny vola sy ny fiara
Omaly alahady maraina tokony ho tany amin'ny 4 ora sy sasany, mbola maizina, tonga namonjy filaharana ny mpamily taxi-be iray mankany Andoharanofotsy. Raha vao nigadona teo Ampefiloha anefa izy, ireny nisy bandy telolahy nitondra basy nanatona azy. Nendahan'izy ireo Ingahy soafera ka lasa tamin'izany ny vola Ar 100 000. saika hamidy lasantsy. Tsy nijanona teo ny raharaha fa nasain-dry zalahy nivoaka ny fiara izy. Novelominy ary nentin'izy ireo ilay fiara.
Avy hatrany dia lasa nilaza ny zava-nisy tany amin'ny mpampiasa azy ilay voaendaka. Io farany io no nampandre ny polisy sy ny zandary. Nony maraina ny andro, tamin'ny 6 ora sy sasany, nahazo filazana ilay tompon'ny fiara fa misy taxi-be mivadika teny amin'ny lalana digue teo anelanelan'Anosipatrana sy Anosizato. Nandeha malaky teny ry zareo ka ny azy tokoa io nivadika io. Ny fokonolona teny an-toerana, raha nahita ny loza, dia tonga saika hamonjy izay olona tao anatiny. Nisy roalahy nifanena tamin'izy ireo nilaza fa maratra ny mpamily. Izy ireo handeha hitady vonjy. Hay ilay mpanendaka roa ireo. Ilay mpamily, izay anisan'ireo jiolahy, tena naratra tokoa. Rehefa tonga ny olona dia efa afaka nivoaka izy ary lasa nandeha ihany koa.
Nalain'ny tompony moa ilay fiara. Ireo jiolahy kosa tsy nisy tratra fa lasa nandositra avokoa.



3885midi-mg-004527-6597-04082008 Mpandroba voasambotra
Talatamaty
Mpandroba voasambotra
Tamin'ny zoma hifoha sabotsy maraina, tokony ho tany amin'ny 3 ora tany ho any, bandy telolahy no fantatra fa saika hamaky mpivarotra mpamongady teny Talatamaty. Hitan'ny tompony ny fihetsik'iizy ireo ka naintso ny zandary haingana izy. Rehefa tonga teo anefa ny mpitandro filaminana dia afaka nandositra ny roa fa tratra kosa ny iray. Tsy mbola nahazo na inona na inona izy ireo.
Fa tamin'ny fotoana nahatongavan'ireo jiolahy ireo no nisy olona telo hafa nijorojoro teo akaikin'ilay fivarotana. Nodarohin'ireo mpandroba avy hatrany ireo nijorojoro ireo ka naratra avokoa. Noheveriny fa mety hanelingelina ny asa ratsiny angamba izy ireo. Nifanena tamin'ireo zandaryireto farany ary nanamafy ny fisian'ny andian'olona hamaky ilay fivarotana ao.
Tamin'ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mpiasa tao amin'io fivarotana io taloha ity voasambotra ity.



3885midi-mg-004528-6598-04082008 Hita ny sambo Tropicana II
Hita ny sambo Tropicana II
Omaly no hitan'ireo mpikaroka ilay sambo Tropicana II rendrika tany amin'ny fari-dranomasina Oseana Indiana. Notaritina sambo maromaro avy eny amin'ny 600 metatra miala an'i Maroantsetra izy io. Araka ny vaovao, nivadika ambony ambany ilay sambo. Misy fofona maimbo be avy ao anatiny. inoana fa misy razana tavela ao anatiny ao. Amin'izoa fotoana hanoratanay izao tsy mbola fantatra marina ny isan'izay faty tavela ao. Efa mandeha ny fijerena izany, hoy ihany ny vaovao.
Nitondra mpizaha tany avy any Taïwan ity sambo ity izao rendrika izao. Efa tonga taty an-toerana ny havan'izy ireo nitady izay tena marina tamin'ity faharendrehana ity. Ankoatra ireo vahiny sivy ireo dia nisy tantsambo malagasy koa tsy hita popoka. Nitarika loza hafa koa anefa ny fikarohana nataon'ny zandary. Mpitandro filaminana roa koa mantsy no fantatra fa  dobo tany anaty ranomasina tany noho ny fivadihan'ny sambo kely nentiny. Efa hita avokoa ny fatin'izy ireo ary efa nampodiana any amin'ny tany niaviany.



3885midi-mg-004529-6599-04082008 Nolazain'ny mpimasy fa maty nefa velona
Soanieran'ivongo. Nodarohin'ny olona ny lehilahy iray mpitaiza satria nilaza lainga tamin'ny fianakavin'ity lehilahy iray tsy hita volana maromaro.
Nolazain'ny mpimasy fa maty nefa velona
Tranga hafa ity niseho tany amin'ny faritr'i Soanieran'Ivongo ity tao amin'ny tanana atao hoe Antegniny. Mpimasy iray no niharan'ny hatezerana fianakaviana iray. Naratra mafy tokoa ny anao lahy ary mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly. Zara tsy afaka ny ainy.
Nisy lahilahy iray nanambady. Tsy nifanaraka intsony anefa izy mivady ireo ary nanapa-kevitra ny hisaraka. Tamin'ny volana desambra 2007 no raikitra ny fisarahana ary dia samy lasa izy roa. Tamin'io fotoana io anefa, tsy nentin'ilay lehilahy ny entany fa mbola navelany. Telo volana taty aoriana, ny 23 martsa, mbola tao ihany ireo entana ireo. Tapaka ny hevitry ny fianakaviana fa hitady azy ka nanatona mpimasy izy ireo. Rehefa natao ny resaka dia nilaza ity mpitaiza olona ity fa efa maty io rangahy io ary  dia toa nionona teo ireto fianakaviana. Taty aoriana anefa, afaka tapa-bolana,  ny faha-3 aprily, nisy fatin'olona hita tany anaty rano. Nikoropaka ny fianakaviana nandeha nijery. Efa simba be ilay razana. Nantsoina indray Ingahy mpimasy. Raha vao nahita ilay faty izy dia nilaza fa io ilay lehilahy tsy hita.
Am-pasandrazana
Rehefa izany, nalain'ireo havany ilay razana. Natao ny fomba rehetra, famonoana omby. Natao ny fandevenana tao am-pasandrazana avy eo. Dia nijanona teo ny raharaha fa tsy nisy nisahirana nikaroaka intsony ireo namoy ny havany.
Tonga ny faha-3 volona jolay, iny fa niverina tao an-tanana ilay nisara-bady. Hatairana sy hagagana ny an'ireo fianakaviany nahita azy. Rehefa nisinda izany hatairana izany dia nandeha nanatona an'ilay mpanandro ry zareo. Tezitra mafy tokoa. Avy hatrany dia niharan'ny vono teo ilay mpimasy nilaza lainga. Ankoatra ny daroka anahazy azy dia tapitra narin'ny olona avokoa ny ody rehetra tao aminy. Ny tena nahavinitra mafy ny olona dia izy niteny fa ilay faty hita tao anaty rano no havany ary dia nalevina tao amin'ny fasan-drazana. Olona tsy fantatra mihitsy anefa ilay izy.
Raha nohadihadiana kosa ilay tsy hita ela dia nanazava fa nandeha nanaraka vehivavy hafa izy ary izany no tsy niverenany tao an-tanana naka ny entany.
Mamy A. 
Lire aussi - Fanafihana : Lasan'ny mpandroba ny vola sy ny fiara - Talatamaty : Mpandroba voasambotra - Hita ny sambo Tropicana II 


3885midi-mg-004530-660-03012008 Mamo nidaroka polisy, sy 19 hafa naiditra violon
Mamo nidaroka polisy, sy 19 hafa naiditra violon
  Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an'ity tovolahy ity. Rehefa mamomamo izy dia ny polisy manao fisafoana indray no nodarohiny. Tany Antsirabe ny tantara no niseho ny alin'ny 31 desambra teo. Tovolahy 22 taona, nihodinkodina teny Mahazoarivo teny nanala azy fa faran'ny taona. Asa anefa izay nahazo azy fa nodarohiny ireo polisy manao fisafoana sendra azy. Nandray fepetra avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nitondra azy tany amin'ny birao. Nampanantsoina ny raiamandrenin'ity tovolahy ity rehefa maraina ny andro. Nifona tamin'ny polisy izy ary nomena fahafahana hamonjy fodiana. Soa fa tsy nisy naratra tamin'io fifandonana io.  
Naiditra violon
Ankoatra an'io zava-niseho tany Antsirabe io, dia olona 19 hafa ihany koa no naiditra violon teto an-drenivohitra nandritra iny fetin'ny faran'ny taona iny. Samy manana ny antony nitazonana azy tsirairay avy ireo. Tao ny mamo teny an-dalambe, tao ny nanolana vehivavy, tao ny nandratra olona, ny mamo nitondra fiarakodia sy niady an-kalamanjana. Nandritra iny alin'ny 31 desambra iny dia lozam-pifamoivoizana 11 no niseho teto an-drenivohitra, ka 7 tamin'ireo no naharatrana olona. Toy ny niseho teny Ankadimbahoaka, 67 Ha, Antsakaviro, Andrefan'Ambohijanahary Antanimora, Ampahibe, Antaninandro, Andoharanofotsy, Mahamasina. Saika vokatry ny fisotroana toaka be loatra sy ny tsy fitandremana avokoa no anton'ireo. Toy ilay fiara nandona hazon-jiro sy ilay nahafatesana olona teny Sabotsy Namehana.  
Mamo
Tamin'ireo olona 19 naiditra violon tetsy Tsaralalàna dia 8 noho ny hamamoana teny an-dalana. Efa tsy nahafehy tena intsony mantsy ka miteraka korontana, ary izay no tsy maintsy nitazonana azy mandra-pisavan'ny toaka. Olona efatra hafa kosa noho ny fandratrana niniana natao taman'olona. Mbola vokatry ny fisotroana toaka sy ny tsy fahafehezan-tena ihany koa no anton'izany. Ary ny enina hafa dia noho ny ady eny an-dalambe ka miteraka korontana ho an'ny hafa. Mbola toaka ihany koa no ao ambadik'izany rehetra izany. Ary ny iray farany dia noho ny fanolanana faobe natao tamina tovovavy mpandalo. Tetsy Analakely, akaikin'ny SICAM no nanaovan'izy ireo izany ny alin'ny 31 desambra. Folo lahy izy ireo no indray nitambatra nanolana ity tovovavy ity. Niantso polisy avy hatrany ny mpandalo nahita izany. Tafatsoaka anefa ny sivy fa ny iray no tratra farany teo. Efa misokatra ny famotorana amin'izao fotoana izao ary efa mandeha ny fikarohana ireo sivy lahy nandositra. Misy tamin'ireo olona voatazona ireo no efa nalefa nody. Misy ihany koa anefa ny mbola tazonina alaina am-bavany mialoha ny hanolorana azy ny mpitsara mpanao famotorana eny amin'ny Fampanoavana. Marihina fa polisy maherin'ny 400 no indray nifarimbona nisahana ny fandriampahalemana teto an-drenivohitra nandritra iny fetin'ny faran'ny taona iny. Amin'ny ankapobeny dia azo lazaina ho nilamina ny tanàna raha oharina tamin'ny zava-niseho tamin'ny taon-dasa.
Aina Razafimahatratra


3894midi-mg-004540-661-03012008 Lehilahy maty nosintomin-javatra tanaty rano
Mananjary.
Lehilahy maty nosintomin-javatra tanaty rano
Tamin'ny faha-31 desambra tamin'ny 12 ora antoandro, lasa tany anaty rano tany ny lehilahy iray ary afaka antsasakadiny vao hita ny fatiny. Teto Mananjary no niseho ity loza ity.
Mpanandroatra na mpanihika no asan'ity olona ity sy ny vadiny. Tamin'io andro io, nandeha teny anaty ranon'i Mpangalanes izy mivady hanihika. Fety ny andro koa dia nandeha niasa sitrany ahay. Amina harato no hanihifany. Samy mitana zorony roa izy ireo. Asa anefa izay zavatra niseho fa araka ny filazan'ilay ramatoa vadiny, hitany mihitsy fa ohatran'ny misy misintona fotsiny izao hilentika any anaty rano any ny vadiny. Nandrasany, tsy niverina. Izay vao tonga saina niantso ny olona teo an-tanànan'i Mandaniresaka ravehivavy. Rehefa tonga anefa ireo hanavotra dia tsy afaka niditra anaty rano avy hatrany fa tsy maintsy nanala fatin-tsambo iray izay nisakana ny famonjena tokony natao. Naharitra fotoana elaela ihany izany. Natao tamin'izay ny fombafomba isan-karazany amin'ny toe-javatra sahala amin'izao. Dia hita tokoa ilay lehilahy tao anaty rano. Rehefa nampiakarina teny amorony dia fantatra fa efa tsy miaina intsony. Ny mahavariana dia tsy nibontsina ny kibony, izany hoe tsy nisy rano tafiditra mihitsy tany anatiny tany. Misy zavatra mahavariana ihany eto amintsika eto.
HAR


3904midi-mg-004551-662-03012008 Faty efa simba be
Faty efa simba be
Tsy teo intsony ny tapany ambany. Niboraka ny tsinainy. Mbola teny an-kodiny kosa ny akanjo amboniny, lobaka fotsy efa tonta. Tao amin'ny toerana iray mifefy tamboho tao Mahazo-Soamananandrariny no nahitan'ny olona izany omaly. Tonga tany an-toerana ny BMH sy ny mpitandro filaminana nizaha akaiky ny razana. Tsy fantatra aloha hatreto na natsipy tao izy io na novonoina tao amin'ilay toerana ihany. Raha ny feo nandeha teny an-toerana dia tany ho any amin'ny faran'ny taona tany no namonoana azy io. Tsy dia mitombina loatra kosa ny hoe lanin'ny biby izy. Biby inona no mihinana olona? Ary raha biby tokoa ve dia nahoana no mbola teo avokoa ny taovany? Nivarahotsana ny olona izay nahita. Misokatra ny fanadihadiana.
D.R


3912midi-mg-004560-6628-05082008 Tapatapaka ny vatan'ilay namoy ny ainy
Sambava
Tapatapaka ny vatan'ilay namoy ny ainy
Fahatapahana marobe no hita tamin'ny vatan'ity rangahy iray nonina eny amin'ny Bel Souvenir any Sambava. Nentina tany amin'ny hopitaly mba hotsaboina rangahy nefa tsy naharitra ela dia tapitra ny ainy.
Tamin'ny zoma teo no niseho ity zavatra ity. Tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany alina tamin'izay. Olona niala tao Sambava ho any Antalaha no nahita azy efa nivalapatra. Rehefa nojerena dia mbola nisy aina kely ihany. Io olona io no nampandre ny mpitandro filaminana, izay nikarakaraka ny fitondrana azy tany amin'ny hopitaly.
Rehefa nojerena, tapaka ny tongony havia, tapaka ny feny havanana, torak'izany koa ny hazon-damosiny, ny tanany, vaky ny handriny ary notsindronina vy maranitra teo ambany saokany. Voamarin'ny dokotera ireo teny amin'ny trano fitsaboana.
Araka ny vaovao ihany, toa nisy fofon-toaka izy tamin'io alina io. Tsiahivina fa tany amin'ny volana janoary dia efa saika maty ity lehilahy ity. Tsatoka antsy miisa enina no niantefa teny amin'ny vatany. Efa nitory tany amin'ny tiribonaly izy tamin'izay.
Remi R. 


3912midi-mg-004561-6629-05082008 Halatra gisa niafara tamina fahafatesana
Maroantsetra
Halatra gisa niafara tamina fahafatesana
Maty noho ny daroka nahazo azy ny lehilahy mpamboly iray tany amin'ny tanana atao hoe Vinanitelo any Maroantsetra. Tratran'ny tompony nangalatra gisa izy io. Teo am-pamolosana ilay biby saika handrahoany izy no nisy nahita. Tsy afaka nandà intsony ity mpangalatra ity. Tsy nisy naninona azy aloha ny olona teo. Nasaina nohaniny manta kosa anefa ny gisa. Vao kely fotsiny no laniny dia tsy nety intsony izy. Tezitra tamin'izany ny rehetra koa dia samy nidaroka azy teo. Rehefa samy afa-po, dia samy nandeha. Tsy nisy nihevitra mihitsy fa hahafaty an'ilay rangahy ny daroka.
Afaka fotoana ela ihany vao nisy tonga saina nandeha nijery tany amin'ny toerana nisehoan'ny daroka. Mpamboly any anaty ala mantsy no asany taloha. Razana efa tena simba be mihitsy no novantanin'ny havany. Nifanakaiky teo ny fatin'ilay gisa sy ny an'ilay lehilahy. Tsy maintsy nalevina haingana dia haingana ny razana.
Mamy A. 


3912midi-mg-004562-663-03012008 Mpividy vato voatsindrona antsy teo amin'ny orony
Mpividy vato voatsindrona antsy teo amin'ny orony
  Teo amin'ny orony no voatsindrona antsy, nipatrapatraka ny rà. Na izany aza anefa, mbola nahavita nikapoka tamin'ny kibay ny iray tamin'ireo olona nanafika azy ity olona ity. Sendra ny tsy nampoiziny ity lehilahy iray antsoina hoe Solofo, 24 taona, mpividy vatosoa. Tamin'ny faha-29 desambra teo, raha niala ny tanàna atao hoe Marovato ho any Vohilava any Mananjary izy no sendra izao zavatra izao. Tsy lavitra an'Ambodinonoka, tanàna manelanelana an'ireo toerana roa voalaza etsy ambony, no nifanena tamina olona roalahy ity mpividy vato ity. Raha ny fijeriny azy dia olon-tsotra ihany izy ireo ary mponina eo amin'ny tanàna. Ny nampiavaka kely azy ireo dia voalaza fa nihaingo ry zalahy. Rehefa nifanena izy ireo dia toa nivadika avy hatrany ny hevitr'ireto olona raha nahita ny sakaosy teny amin'i Solofo. Avy hatrany dia nolakoiny izy ka voa. Tsy vitan'izany fa notsindromin'ny iray tamin'ny antsy ka niantefa teny amin'ny orony izany somary nahazo ny takolaka havia. Tsy nanaiky fotsiny ilay mpividy vato fa mba namely tamin'ny hazo teny an-tanany. Voa ny iray ka torana, ilay faharoa kosa afaka nisintona ny sakaosy teny aminy. Nanomboka fanina i Solofo ary nivembena. Io no nararaotin'ilay bandy. Tsy ela koa dia tonga saina ilay voavely kibay. Raha vao azon'izy ireo ny sakaosy dia lasa izy ireo. Araka ny nolazain'ny tompony dia nisy vola Ar.1 500 000 tao anatiny. Hany herin'ilay voadaroka, namonjy ny tanànan'i Vohilava nandeha nitsabo tena. Soa fa tsy nahazo faritra saropady ny antsy ka avotra soa aman-tsara izy. Araka ny filazany ihany, sambany nisy endaka sahala amin'izao tamin'iny faritra fandehanany iny.
HAR


3912midi-mg-004563-6630-05082008 Voatifitra sy voakapa famaky ny tompon-trano
Asan-jiolahy
Voatifitra sy voakapa famaky ny tompon-trano
Nanao izay ho afany ny raim-pinakaviana iray niarovana ny fananany. Tsy nahaleo ireo mpandroba anefa izy ka voatery niala, voatifitra teo amin'ny lohaliny. Rehefa nianjera izy dia nokapaina famaky ny lohany. Tamin'ny sabotsy lasa teo, notafihan'olona ny tokantrano iray tao amin'ny tanana atao hoe Ankazotsifantatra, kaominina Bevato any Bongolava. Tokony ho tamin'ny 10 ora alina. Avy nivarotra vary ity olona voatafika ity, izany hoe nisy vola izany tao an-trano. Fantatry ny mpandroba izany ka dia tonga ry zareo. Henon'ilay rangahy anefa izy ireo ka nambenany teo amin'ny varavarana. Izay niditra nasiany kibay dia tafaverina nivoaka tany ivelany. Farany, nampiasain'ireto jiolahy ny basy teny aminy, ary io no nahavoa ny lohaliny.
Rehefa voan'ny bala izy dia mody nanao torana. Izany no nararaotin'ireo mpangalatra nakana ireo volabe  Ar 6,5 tapitrisa natao tao anaty sachet plastique. Rehefa azon'ireo bandy ny vola dia nisy niteny nanao hoe, araka ny filazan'ilay tompon-trano vonoy ho faty mihitsy. Ilay lehilahy anefa afaka nandeha niafina. Nandritra ny 20 mn ireo jiolahy nikaroka azy fa tsy nahita. Farany lasa izy ireo.
Rehefa nampilazaina ny zandary dia nandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy. Amin'izao fotoana izao, olona fito no voasambotra. Fantatra fa tsy olona lavitra akory izy ireo fa mponina manodidina ihany. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ireto mpandroba ireto.
H.J. 


3912midi-mg-004564-6631-05082008 Mihitsoka any anaty ranomasina
Tropicana II
Mihitsoka any anaty ranomasina
Araka ny vaovao voaray teo anivon'ny zandary dia mbola mihitsoka any anaty ranomasina ny sambo Tropicana II amin'izao fotoana izao. Any akaikin'i Nosimangabe no misy azy. Misy fahasarotana ny fitaritana azy avy any anaty rano any. Nivadika ambony ambany mantsy ilay izy, izany hoe ny fanambaninina no aty ambony. Mila fitaovana tena goavana mihitsy, araka ny filazan'ny tomponandraikitra, vao hahatarika azy ho eny amin'ny sisiny. Efa mikononkonona fatratra amin'izay mety ho vahaolona ny rehetra mba hampalaky ny fakana azy ho ety an-tanety.
Tamin'ny alahady teo no hita ity sambo rendrika ity. Ny vaovao voaray no nahalalana fa misy fofona ratsy dia ratsy mivoaka avy ao anaty sambo ao.



3914midi-mg-004567-6634-05082008 Vazaha nosamborina teny Ivato
HALATRA. Nitsoaka avy any Toliara ary saika handositra  ho any Bangkok izy izao tratra izao
Vazaha nosamborina teny Ivato
Fivarotana entan'ny orinasa, fanaovana hosoka sy fikasana hanodina entana. Ireo no anenjehana an'ity vazaha nosamborina teny Ivato omaly maraina ity. Nitsoaka avy any Toliara izy ary saika hiondrana ho any Bangkok no izao tratra izao. Miasa amina orinasa iray mpitrandraka sy mpanondrana hazan-drano any Toliara ity teratany frantsay ity. Manana sampana aty an-drenivohitra ity orinasa ity ary io vazaha io no nanankinana ny orinasa tany Toliara. Nandritra ny fotona niasany tao anefa dia nanomboka nahitana lesoka tsikelikely, ka nisy mpiara-miasa akaiky aminy nampandre ny tomponandraikitra. Natao ny fizahana ka voaporofo tokoa izany. Tamin'io no nahitana fa namidin'ity vazaha ity ny entan'ny orinasa mitentina 2.600.000 ariary. Ary efa saika namidiny ihany koa ny fitaovana lafovidy hafa toy ny vata fampangatsiahana sy groupe electrogène. Nanao hosoka tamin'ny taratasy hivarotana ireo entana ireo ihany koa izy.
Nodorana
Ankoatra ireo dia hitan'ny tompon'ny orinasa ihany koa fa nodoran'ity vazaha ity avokoa ny antontan-taratasy rehetra tao amin'ny orinasa mba hanafenana ny fanodikodinana nataony. Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana mikasika io ry zareo amin'izao fotoana izao.
Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana manoloana izao toe-javatra izao ny tompon'ny orinasa, ka nandeha ny famotorana. Vao nahafantatra izany anefa ilay vazaha dia nandositra ka ny alahady tolakandro teo izy no nandray fiaramanidina nankaty Antananarivo, ary saika hitsoaka any Bangkok omaly maraina. Efa nahafantatra io raharaha io ny mpitandro filaminana taty an-drenivohitra ka nandrasana fotsiny izay handalovany teny Ivato, ary izao izy voasambotra izao.
Notazonina eny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana izy halaina am-bavany ary tsy ho ela dia hatolotra ny Fitsarana.

Lire aussi - Maroantsetra : Halatra gisa niafara tamina fahafatesana - Asan-jiolahy : Voatifitra sy voakapa famaky ny tompon-trano - Tropicana II : Mihitsoka any anaty ranomasina - Daniel Mathat :  Des intoxs à mon encontre  - Ifanadiana : Deux morts dans un accident 


3917midi-mg-004571-664-03012008 Lehilahy iray kilan'ny afo
Hain-trano.
Lehilahy iray kilan'ny afo
  Tamin'ny alin'ny faha-31 desambra no niseho ny hain-trano izay namoizana ain'olona. Tany Toamasina tao amin'ny Percelle 1215 no niseho ny loza. Lehilahy iray no voalaza fa avy nisotro toaka dia nandeha nody ary nony tonga tao an-trano, tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany alina, dia nandrehitra jiro pétrole. Asa anefa izay zava-niseho fa nianjera ilay jiro. Avy hatrany dia nirehitra sy nitatra manerana ny trano falafa. Ilay nampirehitra ny jiro kosa raha nahita izany dia lasa nivoaka nanavo-tena. Olona iray hafa izay resin-tory ary tsy nahalala izay zava-miseho no may kila tao. Potiky ny afo tanteraka ilay trano. Ilaina dia ilaina ny fitandremana indrindra rehefa somary tsy tompon'ny tena intsony amin'ny fandrehetana afo ao an-trano ao. Tsy ny jiro fanazavana ihany no mety hahitan-doza fa eo indrindra koa ny afon-tsaribao. Maro ny tranga efa nahafatesana olona. Tsy azo atao ny mihiboka an-trano nefa mandrehitra afon-tsaribao handrahoana sakafo. Avy hatrany dia matin'ny entona ratsy avoakan'ny saribao.
r.s.


3922midi-mg-004577-6645-07082008 Trakitera navadiky ny jiolahy  pièces détachées 
Anosiala
Trakitera navadiky ny jiolahy  pièces détachées 
Ny vatabeny sisa no navelan'ireo mpangalatra tamin'ilay trakitera. Nalain'izy ireo avokoa ny pièces rehetra tao anatiny izay mitentina 600 tapitrisa. An'ny orinasa iray mpanao lalana niasa teny Anosiala ity trakitera ity, ka ny alin'ny 2 aogositra teo no nangalaran'ny jiolahy azy. natao ny fikarohana dia hita ilay fitaovana lafo vidy, saingy efa vita pièces detachées. Efa naongotr'izy ireo avokoa izay azo noraisina rehetra, eny hatramin'ny izay faran'ny bitika indrindra aza. Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana ny tompony ka rehefa natao ny fikarohana dia nisy roalahy voasambotra. Rehefa nosavaiana ny tranon'izy ireo dia mbola nahatratrarana sasantsasany tamin'ireo fitaovana very. Taorian'ny fakana am-bavany teny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana, dia natolotra ny Fampanaovana izy roalahy ary notazonina vonjimaika eny am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Ankoatra azy roalahy voasambotra ireto, dia mbola misy roalahy hafa ahiahiana ho mpiray tsikombakomba tamin'izy ireo ka mbola karohin'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Mandeha be ny varotra vy amin'izao fotoana izao ka izay rehetra mety havadika vola dia mahasarika ny mpangalatra avokoa.
r.s


3923midi-mg-004579-6647-07082008 Mbola tsy mety sokafana hatramin'izao
TROPICANA II
Mbola tsy mety sokafana hatramin'izao
Efa tonga manamorona ny sisin-dranomasina saingy tsy mbola mety sokafana hatramin'izao ilay sambo TROPICANA II, rendrika tany Maroantsetra herinandro vitsy lasa izay. Efa any amin'ny 50 metatra manamorona ny tora-pasika akaikin'ny vinany ao Maroantsetra ny sambo amin'izao fotoana izao. Mbola tsy mety sokafana anefa raha tsy tena tafiakatra an-tanety, araka ny fanambarana voaray. Samy miandry izay ho vokatry ny fanadihadiana aorian'ny fanokafana ny sambo ny rehetra amin'izao fotoana izao. Na ny fianakavian'ny niharam-boina, na ny tomponandraikitra ao amin'ny mpitandro filaminana, na ny Fanjakana ary indrindra indrindra ny mpanara-baovao. Ny fianakavian'ny niharam-boina izay nihaona tamin'ny mpanao gazety omaly dia naneho ny alahelony amin'ny tsy fandraisan'ny tompon'ny sambo andraikitra amin'izao raharaha izao. Araka ny nambaran'izy ireo dia : nijanona tany afovoan-dranomasina i TROPICANA II, nandatsaka vatofantsika, saingy tamin'ny fari-dranomasina lalimbe ka asa na teo no nahatonga ny loza.
Raha tsahivina dia efa herinandro maro izay no nitrangan'ny loza. Nahafatesana olona 13 izay Taiwanais sy Malagasy. Razana roa amin'ireo no efa hita. Tamin'ny fikarohana ity sambo ity ihany koa dia nahafatesana zandary. Hita ny fatiny saingy efa tsy nisy lohany. Vao ny zoma teo io no hita ary tonga teny Ivato afakomaly antoandro.
Aina R.


3923midi-mg-004580-6648-07082008 Lehilahy niboridana matin'ny olona
Lehilahy niboridana matin'ny olona


3924midi-mg-004582-665-03012008 Hanomboka ny fisamborana
Hanomboka ny fisamborana
Tapitra ny fampitandremana. Hiditra amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izay ny tomponandraikitra manoloana ireny varotra an-tsisin-dalana izay tsy nahazoana alalana ireny, na koa tsy manara-dalàna fotsiny tsotra izao. Omaly dia tsikaritra fa efa nanomboka nidina an-tsehatra ny kaominina. Tsy nisy aloha ny fisamborana satria mbola miendrika fampitandremana ihany izany. Raha ny marina dia ny entana no alaina. Rehefa misy ny fanoherana izay vao samborina ny tompon'antoka amin'izany. Tsy vao izao akory no nisy ny hetsika mifandraika amin'ny varotra an-tsisin-dalana. Mba hilazàna izany fa olana efa hatramin'izay teto an-drenivohitra ny momba ireny mpivarotra ireny. Nandamoaka hatrany anefa ny fanalàna ireo nandritra ny taona maro. Asa na hanao ahoana ny amin'ity indray mitoraka ity. Hita ho tena miteraka olana amin'ny fifamoivoizana eto an-toerana mantsy ireo varotra manamorona ny sisin-dalana. Na ny arabe akory aza indraindray.
Didi R.


3965midi-mg-004624-6718-08082008 Vazaha maty nihoson-drà
Ankadikely
Vazaha maty nihoson-drà
Feno dian'antsy ny vatan'ity vazaha iray ity izay hita faty tao amin'ny trano nipetrahany teny Ankadikely Andranomena. Omaly hariva no nahitan'ny fokonolona izany. Efitra roa no feno rà ka anisan'izany ny fandriana nahitana ny fatiny. Feno dian'antsy ny sofiny sy ny hatony ary teo amin'ny faritry ny fony.
Vao volana vitsy no nipetraka tao amin'io trano io ity vahiny ity. Manana mpanampy lehilahy iray izy. Tamin'ny alarobia hariva dia nisy vazaha roa tonga tao aminy. Nasainy nody ilay mpanampy azy. Niverina hiasa ity farany ity omaly maraina izany. Nihidy anefa ny trano ka lasa nandeha izy. Niverina izy ny tolakandro ary nahita varavarankely iray nivoha. Tsy nandry ny sainy ka niantso fokonolona izy. Tamin'izany no nahitana ny fatin'ity vazaha.
r.s.


3965midi-mg-004625-6719-08082008 Manararaotra ny haizina ny mpanendaka
Antanimena
Manararaotra ny haizina ny mpanendaka
Omaly hariva, dia nisy roa lahy samy manana basy saika handroba lehilahy iray nijanona teo amin'ny  parking n'ny trano Santa Antanimena. Araka ny vaovao re teny an-toerana, dia nambanany basy ilay rangahy nipetraka tao anaty fiara. Nandramany novahana ihany koa ny varavarana saingy tsy tanteraka izany. Olona hafa tanaty fiara no nahita ny fihetsik'izy ireo ary nandrehitra ny jirony mba hitsilovana ireo jiolahy. Natodik'ireo olon-dratsy tany aminy ny basy. Nohitsin'ilay mpamily anefa izy ireo ka hany heriny dia nandositra nihazo an'iny arabe mankany amin'ny faritry ny Kianja filalaovana rugby iny. Ny ordinateur portable tao anaty fiaran'ilay rangahy angamba no notsiriritin'ireto olon-dratsy ireto.
Aina R.


3967midi-mg-004628-6722-08082008 Lasa olon-dia, feno volo ny vatany iray manontolo
Lasa olon-dia, feno volo ny vatany iray manontolo
Jean-Claude STEVE


3967midi-mg-004629-6723-08082008 Sinoa enina anisan'ny dobo tsy hita popoka
TROPICANA. Nampitomboina ho 40 ny isan'ireo olona nampiandraiketina ny fisintonana ilay sambo rendrika.
Sinoa enina anisan'ny dobo tsy hita popoka
 
  Azo lazaina fa tena mifono mistery ny mikasika ilay sambo Tropicana II rendrika tany amin'ny fari-dranomasina atsinanan'ny Nosy. Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny fiteny frantsay nivoaka omaly dia voasoratra fa tsy nahitana razana tao anatin'ilay sambo. Ny faritra misy ny maotera ihany anefa aloha tamin'izay no voatsidiky ny mpisitrika anaty rano. Mitohy tsy mijanona ny asa atao hitaritana an'ity sambo ity ho eny amin'ny moron-dranomasina. Fantatra izao fa mahatratra hatrany amin'ny 40 ny olona miasa hahatanteraka izany. Mbola tsy voasintona ny sambo amin'izao fotoana izao. Efa maro ny vaovao nosoratana mikasika ity faharendrehana ity. Avy amin'ny olona akaiky ireo niharan-doza dia maro torak'izany ihany koa ny fanontaniana mipetraka. Voalaza fa ampy tsara ny gilet de suavetage tao anatin'ilay sambo. Inoana fa raha vao nanambana ny loza dia tokony ho efa samy nametaka izany ny rehetra. Raha lanin'ny trondro na atsantsa tokoa moa ireo olona dobo ireo, nankaiza kosa ireo gilets ireo. Farafaharatsiny tokony ho nisy natsingevan'ny rano. Nisy razana efa hita saingy efa potika ary tsy fantatra intsony. Efa atao ny fitiliana ny ADN hahalalana io olona io.  
Fanadihadiana  
Araka ny vaovao dia olona roa, samy Malagasy no avotra tamin'ireo mpandeha 12. Nalefa hatao fanadihadiana any Sainte Marie izy ireo hahalalana ny zavatra niseho marina tamin'ity faharendrehana ity. Ireto avoaka etoana ny sarin'ireo Taïwanais enina tamin'ireo valo rendrika tamin'io sambo io. Raha tsahivina fohy ny fandehan-javatra dia toy izao: tamin'ny faha-11 jolay ireto vahiny ireto no naka io sambo io hitsidika toerana azo anaovana fanjonoana. Rehefa lavidavitra ny morontsiraka, voalaza fa najanona ny sambo ary natsipy ny vatofantsika. Nanomboka teo, tsy nisy zavatra fantatra intsony izay nanjo ireo mpandeha sy ny sambo. Natao avy hatrany ny fikarohana. Tamin'ny alahady teo anefa voa fantatra ny toerana misy ilay sambo. Nihohoka ambony ambany ilay izy. Ary dia misy ny fahasarotana amin'ny hitaritana azy noho ny tsy fahampian'ny fitaovana enti-manana izany.
r.s.
Ossements humains : Cinq trafiquants arrêtés !  
 Jombilo  : Chasse aux noctambules sans CIN  
Antanimena : Manararaotra ny haizina ny mpanendaka  
Ankadikely : Vazaha maty nihoson-drà  


3972midi-mg-004635-6731-09082008 Nokendain'ilay marary ny zanany dia maty.
Nokendain'ilay marary ny zanany dia maty.


3972midi-mg-004636-6732-09082008 Nihetsika androbe teny ambony moto nianjera dia maty
FENOARIVO. Soa fa nisy finday tany aminy niantsoana ny havany.
Nihetsika androbe teny ambony moto nianjera dia maty
Teny am-pandehanana moto no nihetsika tampoka ny aretin'ity tovolahy ity. Nianjera izy dia tapitra ny ainy. Tranga mampalahelo niseho teny Ambodiafotsy - Fenoarivo (RN1, PK 10) omaly antoandro. Tovolahy 20 taona monina eny Fenoarivo no maty nianjera avy eny ambonin'ny moto nentiny. Niara-nianjera taminy ny moto (scooter) nentiny ka potika tanteraka. Izy kosa nianjera ary niankohoka tao amin'ny guidon. Tsikaritry ny olona io fianjerany io ka tonga ny fokonolona namonjy azy. Rehefa nozahana anefa, efa tapitra ny ainy. Soa fa nisy finday tany am-paosiny ka iny no niantsoana ny havany haka ny razana. Araka ny nambaran'ny fianakaviany dia manana aretina androbe sy mifanintona io tovolahy io, ka angamba nihetsika ilay aretina ka izany no nahatonga izao fianjerany izao. Tsy nisy fiara na olona na zavatra hafa nanelingelina ny lalany tokoa mantsy ka hoe mety ho nahatonga izao fianjerana izao, fa teny am-pandehanana teny izy no avy dia nianjera, araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso.
Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin'ny borigadin'i Fenoarivo nanao ny fizahana ifotony ny toe-draharaha. Tonga teny ihany koa ny mpitsabo nanao ny asany. Ka raha ny fizahana natao dia vokatry ny hafanana be androany, nampian'ny hafanana tao anaty casque no mety ho nahatongany fihetsehan'ny aretina tampoka, ka izao niafara tamin'ny fianjerana sy fahafatesana izao. Ankoatra izay dia hita fa voadona mafy ihany koa ny lohan'ilay tovolahy tamin'ny fianjerany ka nitarika ny fahafatesany. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha ka efa misy ny famotorana nosokafana hahafantarana ny marina rehetra mikasika ity fahafatesan'olona tampoka ity.
Aina R.


4004midi-mg-004669-6763-11082008 Lasibatry ny mpanendaka ny mpanao vakansy
Toamasina
Lasibatry ny mpanendaka ny mpanao vakansy
Olona marobe voaendaka, zandary iray voatsindrona antsy, mpivarotra misy manafika. Saika izany foana no re tato ho ato ao an-tampon-tanànan'i Toamasina. Mirongatra be ankehitriny ny fanendahana ao an-drenivohitr'i Betsimisaraka ao. Ny mpanao vakansy no tena lasibatra ary mitondra sabatra mihitsy ireo jiolahy amin'izany. Vao tamin'ny harivan'ny zoma teo izao no nisy olona 5 avy aty Antananarivo nendahin'ny jiolahy mirongo sabatra teny amoron-dranomasina. Mbola tsy dia alina loatra ny andro tamin'izay, tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka eo. Maka rivotra eo amoron-dranomasina izy 5 mianadahy miandry ny mpamily haka azy. Nipoitra tampoka avy any ireo jiolahy ary naka izay fitaovana sarobidy rehetra teny amin'izy ireo. Lasan'ireo jiolahy avokoa na fakan-tsary na vola, na antontan-taratasy na firavaka volamena. Eny fa na hatramin'ny kapa teny an-tongotra aza. Nandositra ireo jiolahy, niezaka niantso vonjy ity fianakaviana ity saingy nitazam-potsiny ny manodidina noho ny tahotra.
Nampandrenasina ny polisy ary tonga teny an-toerana saingy efa tara loatra. Mandry an-driran'antsy mihitsy ny mpanao vakansy any Toamasina amin'izao fotoana izao noho ny afitsok'ireo mpandroba. Araka ny filazan'ny mpitandro filaminana, dia toa mpanendaka avy aty Antananarivo ihany no midina any ary efa manomboka fantapantatra ny momba azy ireo.
Aina R.


4004midi-mg-004670-6764-11082008 Mpanao CD piraty 4 naiditra am-ponja
ISOTRY. Manoloana ny firongatry ny kapila hosoka dia nanao hetsika ny Avoko Production sy ny mpitandro filaminana. Nahitam-bokatra izany.
Mpanao CD piraty 4 naiditra am-ponja
Aina R.


4029midi-mg-004696-6792-12082008 Fatim-behivavy tsy misy maso, nifatotra ny tanany
ANTSIRABE. Misy ny olona tsy mifaditrovana mihitsy. Tsy vitan'ny mamono olona fa mbola mampijaly ihany koa.
Fatim-behivavy tsy misy maso, nifatotra ny tanany
Tao anaty tranon'akoho no nahitan'ny olona fatim-behivavy lehibe iray eo amin'ny 71 taona eo tany Tsaramasoandro Marodita Antsirabe. Nifatotra ny tanany roa ary nihohoka tamin'ny tany izy. Rehefa nojerena akaiky, tsy tao intsony ny masony havanana. Tapaka ihany koa ny rantsan-tanany. Ny tompon'ilay fisoko no nahita ny razana ary nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Nisy nahafantatra ihany ity olona ity. Nonina tany Fitomilasy Bevokatra eny Avaratra andrefan'ny toby izy. Ny solontenan'ny fokonolona no nampilaza ny fianakaviany tany. Vao nahare ny vaovao ratsy ny zanany vavy dia torana ary mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly hatramin'izao.
Tamin'ny alahady lasa teo no nahitana ny razana. Ny manitikitika ny saina dia hoe inona no antony namatoran'ny sasany an'ity vaviantitra ity? Efa mandeha ny famotorana hahalalana ny marina mikasika ity raharaha ity. Araka ny fandinihan'ny mpitandro filaminana anefa, dia mety ho nohanin'ny voalavo tao am-pisoko tao ny maso sy ny tanan'ity olona ity.
Saika isan'andro no ahitana fatin'olona tsy any Antsirabe ihany fa saika manerana ny faritra maro. Ohatra ny tsy misy dikany intsony amin'ny sasany ny ain'olona.
Lova 


4029midi-mg-004697-6793-12082008 Lehilahy maty notsatohana fanjaibe teo amin'ny lohany
Vonoan'olona
Lehilahy maty notsatohana fanjaibe teo amin'ny lohany
Tsy namelan'ireo tompon'omby raha tsy maty ilay lehilahy izay nolazain'izy ireo fa namono ny ombiny. Nafatony ny tanany ary notsatohany fanjaibe teo an-tampon-dohany.
Tany Andriabe any amin'ny faritr'i Soanierana-Ivongo no nitrangan'izany. Misy fianakaviana mpamboly telo samy hafa monina any anaty ala. Nanana omby ilay fianakaviana iray ary nafatony tany anaty ala izany. Afaka fotoana elaela anefa, maty ilay omby. Nisy olon-kafa notondroiny fa tompon'antoka tamin'ny famonoana an'io biby io. Avy hatrany dia nosamborin'ny tompon'omby sy ny zanany io. Dia io nampijaliany io.
Rehefa izany, nentiny tany amin'ny fokontany. Tsy nety nandray anefa ny tomponandraikitra noho ireo ratra nahazo ilay olona.
Nentin'izy telo mianaka tany aminy indray ilay olona avy eo. Mbola voalazan'ny vaovao fa noratrain'izy ireo tamin'ny antsy teo amin'ny tratrany ary tsy namelany raha tsy maty. Rehefa izany dia naleviny tany anaty fasika. Tsy voatototra tsara anefa ka afaka telo andro dia nisy nahita ny razana. Avy hatrany dia natao ny fisamborana azy telo mianaka. Ilay rainy no tratra fa ireo zanany roa lasa nandositra.
Mamy A. 


4029midi-mg-004698-6794-12082008 Fatin-dehilahy roa efa simba
ANTANANARIVO
Fatin-dehilahy roa efa simba
Nahitana fatin'olona roa teto an-drenivohitra omaly. Ny iray tetsy Ampandrana, ampitan'ny kolejy Rasalama, amin'ilay lalan-kely ho any Antaninanandrano iny. Ny iray kosa teny Sabotsy Namehana, teo amin'ny sampanan-dalan'i Fieferana. Ilay razana voalohany maratra ny lohany ary ilay faharoa kosa efa simba be.
Toy izao ny fisehon'ilay tetsy Ampandrana. Vao maraina, tokony ho tamin'ny 6 ora teo no nisy nampandre ny anadahin-drenin'ny maty fa hitan'ny olona mitsirara eo amin'ilay lalan-kely ilay tovolahy ary misy maratra ny lohany. Rehefa nozahana teny dia io tokoa ilay tovolahy ary nisy nanendaka ny kirarony. Tamin'ny 9 ora alina izy no niala tao amin'ilay dadatoany avy eny Andravoahangy ambony ary hody ao Ampandrana no izao maty izao. Mbola tsy voafaritra mazava raha nisy namono izy na nianjera teo an-tohatra, satria araka ny nambaran'ilay dadatoany dia somary nisotrosotro kely izy. Efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana.
Efa simba
Ny mikasika ilay razana teny Fieferana kosa dia tamin'ny 7 ora sy sasany no naharay antso ny zandary tamin'ny fahitana ilay faty. Efa simba tanteraka ilay izy ary efa nohanin'ny alika ny tanany sy ny tarehiny ary ny kibony. Mbola tsy voafaritra ihany koa raha nisy namono izy na tsia satria mbola eo am-panaovana ny fizahana ifotony ny dokotera sy ny mpitandro filaminana.



4029midi-mg-004699-6795-12082008 Minisitra teo aloha voampanga nanodinkodim-bola
Fitsarana
Minisitra teo aloha voampanga nanodinkodim-bola
Notsaraina teny amin'ny fitsarana Anosy omaly ny raharaha fanodinkodinam-bola niseho tao amin'ny Tafita sy ny Minisiteran'ny Fanatanjahantena tamin'ny naha minisitra an'Atoa Ndranasolo. Olona folo no voarohirohy tamin'izany. Dimy ry zareo no niseho teny amin'ny fitsarana omaly. Ny sasany moa dia tsy eto an-toerana fa lasa any ivelany.
Rehefa nivoaka ny didy dia fantatra fa ny telo dia voaheloka hanao asa an-terivozona 20 taona ka anisan'izany ny tale jeneralin'ny Tafita teo aloha sy ireo olona naira-niasa taminy. Afaka kosa ny tomponandraikitry ny vola tao amin'ny Tafita. Ny tomponandraikitry ny vola tao amin'ny minisitera no voaheloka 2 taona sazy mihantona.
Araka ny efa voasoratra ery ambony, ny dimy tamin'ireo voampanga ihany no teny Anosy. Tsy midika akory izany, hoy ny tomponandraikitra fa mijanona ny fanenjehana ireo sisa hafa noho izy ireo tsy eto an-toerana amin'izao fotoana izao.



4029midi-mg-004700-6796-12082008 Sady mangalatra no manolana
Sofia
Sady mangalatra no manolana
Ny fonokolona sy ny kartie mobily no nahatratra olona roa fantatra fa sady nangalatra no nanolana. Vehivavy roa no lasibatr'izy ireo tany amin'ny faritr'i Sofia any Analalava tao amin'ny tanàna atao hoe Antsingilava Marovazahabe. Nisy vola Ar 252 500 tany amin'ireto olona ireto. Efa nomanin'izy roalahy ny tetika. Tamin'ny fotoana tsy nampoizin'ireto vehivavy ireto no voatafika izy ireo. Tsy vitan'ny nalain-dry zalahy ny vola fa mbola nanaovany ny sitrapo ratsiny ihany koa izy ireo. Rehefa vita ny zavatra nataony dia lasa nandositra izy ireo.
Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy satria nisy nahita. Natao ny fenenjehana ka tratran'ny fokonolona izy ireo ary nentina tany amin'ny mpitandro filaminana. Taorian'ny famotorana dia natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireto jiolahy ireto.



4043midi-mg-004715-6813-13082008 Tsy nanaiky ho vadiny dia novonoiny
Sambava
Tsy nanaiky ho vadiny dia novonoiny
Efa notsiriritiny efa ela ity vehivavy ity nefa tsy nety nanaiky ho vadiny mihitsy ka novonoin-dranamana nony farany. Hita faty teny amoron-drano ilay vehivavy. Ilay lehilahy kosa nandositra ary mbola karohina hatramin'izao.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Betsirebika, kaominina Ambatoafo any Sambava no nitrangan'izany. Mpividy lavanila no asan'ity lehilahy 46 taona ity. Nisy vehivavy iray, 24 taona nifanerasera taminy. Tsy nety nanaiky niaraka taminy mihitsy anefa ilay vehivavy. Tamin'ny faha-27 jolay teo, tsy hita izay nalehan'ilay vehivavy.
Ny faha-30 jolay, hita teny amoron-drano ny fatiny ary efa tena simba tokoa. Rehefa nozahana ny razana dia fantatra fa naolana izy ary natsipy teo amoron-drano avy eo. Tsy fantatra aloha na efa maty vao natsipy na mbola velona. Ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana no hahalalana izany.
Raha vao hita ny fatin'ilay vehivavy dia niantefa tany amin'ilay rangahy avokoa ny eritreritry ny mponina any an-toerana. Notadiavina izy nefa tsy teo an-tanàna intsony. Voalaza fa talohan'ny nahitana ilay razana dia namoaka vava ranamana fa: tsy maintsy azoko iny.
Mamy A. 


4043midi-mg-004716-6814-13082008 Irakianina roa niakatra fitsarana
Anosy
Irakianina roa niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana omaly ireo teratany Irakianina roa voalaza fa nanao pasipaoro soisa sandoka nahafahana niditra teto sy saika hivoahana ho any amin'io firenena iray io avy eo. Tamin'ny fotoana nahatratrarana azy ireo tany Nosi-Be dia nisy mpitandro filaminana iray ihany koa voarohirohy niaraka tamin'izy ireo.
Teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato izy ireo no niditra. Fandalovana ihany teo. Rehefa izany, nandeha tany Nosi-Be ary tany no saron'ny tomponandraikitra ny zavatra nafenina. Natao ny fisavana azy ireo ka fantatra fa sandoka ireo pasipaoro nampiasainy. Voalaza fa sakaizan'ny iray tamin'ireto vahiny ireto ny anabavin'ity zandary ity.
Notanana vonjimaika teny amin'ny fonjan'Antanimora izy ireo ary omaly no niakarany fitsarana.



4043midi-mg-004717-6815-13082008 Adin'ny mpianatra niantsoana mpitandro filaminana
CITE UNIVERSITAIRE. Niady ny mpianatra avy any Atsimo Atsinanana sy ny avy any Vakinankaratra noho ny resaka trano fonenana.
Adin'ny mpianatra niantsoana mpitandro filaminana
Raikitra ny korontana tamin'ny alatsinainy 11 aogositra teo teny amin'ny trano fonenan'ny mpianatra eny Ambohipo (Bloc 50). Ady noho ny resaka trano fonenana io. Mpianatra avy any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana sy ny avy any Vakinankaratra no nifanandrina. Nisy mihitsy aza fikasana haka an-keriny ny filohan'ny mpianatra avy any Vakinankaratra. Noho ny tahotra ny fitaran'ny ady dia niantso mpitandro filaminana ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana ny lehiben'ny vondom-paritra Analamanga sy ny tomponandraikitra avy ao amin'ny FIP (polisim-mpirenena), niaraka tamin'ny tomponandraikitra avy ao amin'ny CROUA (Centre Régional des Oeuvres Universitaires d'Antananarivo) nandamina ny disadisa. Taorian'ny fifampidinihana teo amin'ireo voakasik'ity raharaha ity dia nametrahana mpitandro filaminana miaraka amin'ny jiromanga sy zandary maromaro eny an-toerana hisian'ny fandriampahalemana. Atahorana mantsy ny mbola mety hitohizan'ny ady.
Mpitsikilo
Ankoatra ireo mpitandro filaminana marobe napetraka eny amin'ny fonenan'ny mpianatra eny Ambohipo dia nandefasana mpitsikilo ihany koa any anivon'ny mpianatra any. Ireo dia natao hijery ifotony ny zava-misy, ary hamantatra ihany koa izay tena mpitarika izao korontana izao. Raha izany dia ahiana ho hisy fisamborana mpianatra eny tsy ho ela raha mbola mitohy ny disadisa.
Olana efa nisy teny amin'ny trano fonenan'ny mpianatra hatramin'izay ity ady trano ity.

Lire aussi - Sambava : Tsy nanaiky ho vadiny dia novonoiny - Anosy : Irakianina roa niakatra fitsarana 


4080midi-mg-004755-6850-14082008 Alim-pandihizana ratsy fiafara, roalahy maty tao anaty sahotaka
LOZA. Mpinamana sady mpiray tanàna izy roalahy. Izany tokoa angamba no atao hoe andro miditra fa samy namoy ny ainy izy ireo.
Alim-pandihizana ratsy fiafara, roalahy maty tao anaty sahotaka
Tamin'ny zoma lasa teo, roalahy mpinamana no samy maty tao anaty alina iray. Ny voalohany, vaky ny lohany, ny faharoa namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy.
Tany amin'ny tanàna atao Tsaratanana any Bealanana no nisy ity famonoana ity. Nisy alim-pandihizana tao an-tanàna. Olona efatra ry zareo no tapa-kevitra fa handeha hilanonana, lahy roa sy vavy roa. Nafana tokoa ny lanonana ary dia mazava fa raikitra ny fisotrosotroana ary voalazan'ny vaovao fa samy efa tafiditra ny rehetra. Nisy fotoana, te hanao maloto any ivelany ny iray tamin'izy roalahy niaraka ireo. Tsy maintsy mivoaka ny trano anefa. Ny alina maizina be. Voatery nindrana ny lampe de poche-n'ilay namany izy. Asa anefa izay zava-niseho tany ivelany tany fa rehefa niverina izy dia tsy teny aminy intsony ilay lampe. Niteny tamin'ilay namany izy fa latsaka any anaty rano ilay fitaovana. Nandeha nisasa teny amoron-drano izy, araka ny filazany tamin'izay.
Tezitra
Tezitra ary niakatra afo ilay tompony ka naha nilaza ny hanolo ilay zavatra aza ity namany dia tsy nanaiky mihitsy izy. Nolazainy fa lafo dia lafo ny nividianany an'ilay lampe. Noveleziny avy hatrany tamin'ny kibay izay nentiny ilay namany. Hitan'ny olona izany koa dia nasaina nivoaka izy roalahy. Vao tonga tany ivelany anefa dia mbola nasiany fanindroany indray ilay namany. Voa mafy teo amin'ny lohany ity farany ka nitolefika tamin'ny tany. Tsy vitan'izany fa narahany tsindron'antsy teo amin'ny kibony. Maty teo noho eo ilay tovolahy.
Lasa nandositra ilay namely avy eo. Nenjehin'ireo olona nilanonana tao izy ka tratra ihany. Tsy nihambahamba ireo nidaroka azy. Voa mafy tokoa ny anao lahy. Nampidirina hopitaly izy saingy tsy tana ihany koa ny ainy ny sabotsy.



4080midi-mg-004756-6851-14082008 Menaka 18 000 litatra nampidirina an-tsokosoko
Nosy-Be
Menaka 18 000 litatra nampidirina an-tsokosoko
Menaka fihinana mahatratra hatrany amin'ny 18 000 litatra no tratran'ny polisy nanao fisafoana tamin'ny alin'ny sabotsy lasa teo tany Nosy-Be. Natao tao anaty  bidons  20 litatra miisa 900 ireo menaka ireo. Ny vaovao no nahafantarana fa avy any Kaomoro ireto zavatra ireto no nampidirina an-tsokosoko tsy nandalo ladoany.
Tamin'io alina io, raha nanao ny asany toy ny mahazatra ireo mpitandro filaminana no nahita olona nitatitra ireo  bidons  tany amin'ny lalana Marodoka teny amin'ny faritra lazaina hoe  batelage plage . Notaterina ho any amina magazay fitehirizana entana izy ireo. Ny vaovao ihany no nahalalana fa an'izany olona antsoina hoe Ali izany ity magazay ity.
Avy hatrany dia notazonina ny olona iray. Ilay tompon'ny magazay kosa tsy mbola hita izay misy azy hatramin'izao.
Mandeha araka izany ny famotorana mikasika ity raharaha ity. Ny ladoany no misaha izany. Araka ny vaovao ihany, tsy teny amin'ny seranana no nampidirana ireo entana ireo fa tany amin'ny sisin-dranomasina tany.



4080midi-mg-004757-6852-14082008 Tsy nihetsika androbe fa nodomin'ny fiara
Maty teny fenoarivo
Tsy nihetsika androbe fa nodomin'ny fiara
Mitondra fanazavana mikasika ilay lozam-pifamoivoizana niseho teny Fenoarivo, ny alin'ny zoma 8 aogosita lasa teo ny fianakavian'ilay tovolahy maty. Ny alin'ny zoma no niseho ny loza. Nitondra moto scooter ilay rahalahiko tamin'io fotoana io ary tsy nanao casque. Tsy nisy olona namonjy azy fa mpivarotra anana sendra nandalo no niantso ny zandary ary ireo no nampandre anay fianakaviana. Tsy nihetsika aretina araka ny voalaza no nahafaty azy fa nodomina fiara, raha ny fahitanay azy. Nahitana diana hidim-piarakodia mantsy teo amin'ny arabe akaikin'ny nahafatesany ary potika tanteraka ilay moto nentiny, araka ny nambaran'ny zokiny taminay. Marina fa manana aretina mifanintona izy saingy efa sitrana io. Fanampin'izay, nisy olona nilaza fa nahita 4x4 iray nandeha mafy dia mafy tamin'ny fotoana nisehoan'ny loza. Karohina fatratra io fiara io amin'izao fotoana izao ary iantsoanay fiaraha-miasa amin'ny rehetra, hoy izy nanohy ny teniny. Marihina fa nihohoka teo ambony moto ilay tovolahy tamin'ny fotoana nahafatesany. Efa eo am-panaovana famotorana ny zandary amin'izao fotoana izao hahitana ny marina.



4080midi-mg-004758-6853-14082008 Halatr'omby
Halatr'omby
Raha nanao fisafoana ny zandary miasa ao amin'ny Poste Avancé Imerimandroso ny 11 aogositra lasa teo tao amin'ny toerana antsoina hoe Marotsikoboka kaominina Manjaka, dia nahita omby miisa 17 nampiahiahy. Rehefa nijery ny manodidina izy ireo dia nahatazana olona dimy lahy tsy lavitra loatra ny toerana nitobian'ny omby. Vantany vao nahita ireto mpitandro filaminana izy ireo dia lasa nandositra. Natao ny fanenjehana ka azo sambo-belona ny roa lahy. Rehefa nofotorana izy ireo dia nilaza fa avy any Anjozorobe ireo omby ireo.
Halatra cacao
Ny 07 aogositra lasa teo dia nidiran'ny mpangalatra efa-dahy ny orinasa CNIA ao Ambohimana, distrikan'Ambanja. Nenjehin'ny mpiambina izy efa-dahy raha vao tafiditra tao saingy tafaporitsaka. Fotoana kelikely avy eo anefa, dia nitondra namana efa ho efapolo isa izy ireo ary niverina niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana toy ny famaky, antsibe ary pilotra. Nodarohan'ireo olona ireo ilay mpiambina ka naratra vokatr'izany. Mbola afaka niantso sy nampandre ny mpitandro filaminana anefa izy. Vokany, olona 12 no voasambotra ka vehivavy ny iray. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany.
Nangonin'I r.s. 


4086midi-mg-004765-6862-16082008 Gasoil halatra 2000 litatra sarona
Nosy Be
Gasoil halatra 2000 litatra sarona
Saron'ny mpitandro filaminana tao akaikin'ny seranan-tsambon'I Nosy-Be ny gasoil halatra 2000 litatra ny talata lasa teo. Tratra niaraka tamin'ireo ihany koa ny lehilahy iray izay tompony ihany. Araka ny nambarany nandritry ny famotorana dia gasoil avy any anaty sambo ireo ary saika hamidy amin'olon-tsotra ao an-tanana. Eo am-pikarohana ilay sambo sy ny mpiray tsikombakomba amliny ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Tato ho ato dia taon'ireo mpanao ratsy fampidirana entana an-tsokosoko ao amin'ny seranan-tsambon'i Nosy-Be. Vao tamin'ny sabotsy teo no nahatratrarana menaka marobe saika hampidirina an-tsokosoko tany.
Aina R.


4086midi-mg-004766-6863-16082008 Potika ny  casque  sy ny lohan'ilay mpitondra môtô
Lozam-pifamoivoizana
Potika ny  casque  sy ny lohan'ilay mpitondra môtô
r.s.
 


4086midi-mg-004767-6864-16082008 Rangahy notafihana tao anaty fiara  
MANJAKARAY. Feno fahasahiana tokoa ny mpanendaka sy mpandroba amin'izao fotoana izao. Mahita faisana izay tratrany.
Rangahy notafihana tao anaty fiara  
D.R
 


4086midi-mg-004768-6865-16082008 Jiolahy mirongo basy nanafika, nofatorany tany amin'ny WC ny mpiambina
ANDOHARANOFOTSY. Lasan'ireo mpangalatra avokoa ny entana rehetra tao an-trano mitentina an-tapitrisany. Novonoin'izy ireo ihany koa ny alika.
Jiolahy mirongo basy nanafika, nofatorany tany amin'ny WC ny mpiambina
Novakian'ireo jiolahy ny vavahady vy. Novonoiny ny alika. Nambanany basy ny mpiambina, nofatorany ny tanany ary notampenany bakiraro ny vavany ary nohidiany tao amin'ny trano fivoahana. Rehefa izany dia nobatain'izy ireo avokoa ny entana rehetra tao ambany rihana. Ireo no zava-niseho teny Andoharanofotsy ny alin'ny alahady lasa teo nandritra ny fanafihana nataona jiolahy mpitam-piadiana tamina tokantranona mpivarotra iray. Ny mpanampy handeha hivoaka maraina no narahe ilay mpiambina miantso vonjeo ary nahita azy mifatotra tao an-kabone. Toy izao ny fizotrany. Tokony ho misasakalina tany ho any no nisehoan'ny fanafihana. Novakian'ireo jiolahy miisa enina mirongo basy sy barre à mine ny vavahady. Henon'ilay tompon-trano izay natory tao ambony rihana io ka nampirehitra jiro izy. Tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa anefa izy ka niverina natory. Rehefa afaka kelikely vao tena niditra ireo mpanafika ka nambanany tamin'ny basy ilay mpiambina, ary nohidiany tao amin'ny trano fivoahana. Notaterin'izy ireo avokoa ny entana sarobidy rehetra tao ambany rihana. Tsy nisy nahare na inona na inona ny tany ambony rihana nandritra izany rehetra izany. Ilay mpanampy vavy nifoha maraina handeha hivoaka no nahita ilay mpiambina nifatotra sy nihosina maloto. Hitan'izy ireo ihany koa avy eo fa novonoin'ireo jiolahy ny alika tao an-tanàna. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao Andoharanofotsy nanao ny fizahana rehetra ary efa mandeha ny famotorana. Mbola tsy hita kosa hatramin'izao ireo jiolahy miaraka amin'ny entana. Mbola ilay mpiambina irery ihany aloha hatramin'izao no tazonin'ny zandary halaina am-bavany. Toa mivadibadika be ihany mantsy ny fomba fitantarany ny zavatra niseho. Tsy ho ela dia hatolotra ny Fitsarana ny raharaha.
Aina R.    
Lire aussi
Lozam-pifamoivoizana : Potika ny  casque  sy ny lohan'ilay mpitondra môtô  
Nosy Be : Gasoil halatra 2000 litatra sarona  
Deux morts et un blessé grave sur la RN2


4106midi-mg-004789-6886-18082008 Tovovavy maty may kilan'ny afo
Tovovavy maty may kilan'ny afo
Tovovay iray, eo amin'ny 18 taona eo, no maty may kilan'ny afo teny amin'ny faritr'i Manarintsoa tamin'ny alin'ny sabotsy lasa teo tokony ho tany amin'ny 11 ora alina tany. Nisy namany iray izay voalaza fa niaraka taminy tao amin'ny efitra nirehitra kosa no avotra soa aman-tsara. Nisy faritra vitsivitsy may ihany anefa teny amin'ny tenany.
r.s.


4106midi-mg-004790-6887-18082008 Sekolim-pinoana rotiky ny afo, Ar 34 tapitrisa ny zavatra simba
Ambatondrazaka.
Sekolim-pinoana rotiky ny afo, Ar 34 tapitrisa ny zavatra simba
Janus R


4106midi-mg-004791-6888-18082008 Mpanera 63 sy mpivarotena 26 nampidirina  violon 
Harom-paosy.
Mpanera 63 sy mpivarotena 26 nampidirina  violon 
Mpanera miisa 63, mpivarotena 26 ary olona tsotra 8 tsy manana taratsy ara-dàlana momba azy no nampidirina  violon  tamin'ny faran'ny herinandro iny. Nanao hetsika iadiana amin'ny firongatry ny endaka, sinto-mahery sy harom-paosy eny amin'ny toerana fiantsonan'ny taxi-be ny polisy avy ao amin'ny commissariat central, ary tamin'izany no nahitana izao vokatra izao. Mikasika ireo mpanera dia voalaza fa maro amin'izy ireo no manao ireny asa ratsy ireny na miray tsikombakomba amin'ny mpangarom-paosy sy mpanendaka. Toerana maromaro no nisamborana azy ireo : Vatobe 67 Ha, arrêt 119 67 ha, Ampantsakana, Andrefan'Ambohijanahary, Ambodifilao, Manjakaray, Anjanahary, Ampasapito ary Anosy Kely. Misy amin'izy ireo no efa gadra afaka.
r.s.
Tovovavy maty may kilan'ny afo


4128midi-mg-004814-691-04012008 Mpiambina telo M.D
Mpiambina telo M.D
Alim-be, afak'omaly, vao vita ny famotoran'ny mpitsara. Fantatra àry fa tamin'ireo olona 24 nosamborina sy nofotorana rehefa voampanga, dia ny efatra ihany no naiditra am-ponja vonjy maika etsy Antanimora. Ny Minisiteran'ny Fitsinjaram-pahefana no nitory azy ireo, araka ny tsilian-tsofina tetsy amin'ny Fitsarana. Voamarika ihany koa fa mpiambina ny telo tamin'ireo nalefa eny Antanimora, raha mpanera kosa ny fahefatra. Mpibata entana no tena betsaka tamin'ireo olona nofotorana. Maherin'ny roapolo izy ireo, araka ny vaovao azo tetsy Anosy ihany. D.R


4137midi-mg-004824-692-04012008 Nahavonjy olona fito !
Nahavonjy olona fito !
Fianakaviana iray no indray voavonjin'ity sampan'ny zandarimaria ity. Tratran'ny andro ratsy ireo tao anatin'ny botrikely nitondra azy izy ireo nefa efa tany amin'ny dimy kilaometatra miala ny seranan-tsambon'i Nosy-Be. Avotra avokoa ireo olona fito. Tsy ela mantsy dia tonga ny sambo haingam-pandeha izay efa misy zandary havanana amin'ny vonjy aina. Tafiditra amin'ny lalàna iraisam-pirenena Solas na save on life at the sea ny vonjy aina an-dranomasina. Raha ny voamarika dia niasa 87 ora sy 24 minitra an-dranomasina ny sambo kely haingam-pandehan'ny zandary hatramin'ny nijoroan'ny sampana. Faneva no anaran'io fitaovana io. Ankoatra ny ao Nosy-Be, dia manana masoivoho ao Sainte-Marie, Mahajanga ary Morondava izy.
D.R


4145midi-mg-004833-6928-19082008 Tratra saika hiditra an-tsokosoko tany anaty avion
Tratra saika hiditra an-tsokosoko tany anaty avion
Voasambotry ny zandary teny Ivato ny alin'ny sabotsy teo, teny amin'ny piste, ilay tovolahy saika hiondrana an-tsokosoko ho any Paris. 17 taona ity tovolahy ity ary monina eny Ambohipo. Nandray taxi-be nankeny Ivato izy ny sabotsy hariva ary nijery ny fiaingana sy ny fahatongavan'ny fiaramanidina  rehetra. Teo no nahitany fa misy zotra mankany Paris ny alin'ny sabotsy. Nanita-kevitra izy ka nitsambikina avy any amin'ny bout de piste ary nizotra tsimoramora saika hamonjy ilay fiaramanidina. Tamin'izay fotoana izay idrindra no tsikaritry ny mpiambina ka nosamborina. Bedy tany an-tranony izy noho ny resaka fianarana ka izay no nahatonga azy saika handositra. Ary nikasa ny hamonjy ny dadatoany any Caen. Kilasy famaranana ity tovolahy ity amin'izao fotoana izao. Tsy nifindra kilasy izy ary voaroaka tao amin'ny toeram-pianarany ihany koa ; ka  izay no antony nibedesana azy. Zotra mankany Paris an'ny Air France ity saika hiondranany ity



4145midi-mg-004834-6929-19082008 Boulevard de l'Europe  Antanandrano
Boulevard de l'Europe
Olona iray no fantatra fa namoy ny ainy ary dimy hafa naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin'ny Boulevard de l'Europe omaly maraina tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany. Fiara iray avy any amin'ny faritry ny 67 ha no tsy nandeha intsony ny milina fampijanonana azy. Ankeviny nandeha mafy koa ilay izy satria dia nifatratra tamina bisikileta iray nitondra atody. Rehefa avy eo nandona mpandeha an-tongotra tamin'ny sisin-dalana. Efa lasa lavidavitra vao tafajanona ny fiara. Vaky nitriatra ny fitaratra aloha.
Antanandrano
Omaly atoandro tokony ho tany amin'ny mitatao vovona, nisehona loza teny amin'ny faritra Antanandrano Ambohitrarahaba. Olona iray no matin'ny herinaratra raha nihanika ny Poteaun'ny Jirama. Araka ny filazan'ireo izay nahita, nanala kiraro ilay izy nefa mahery vaika ny herinaratra amin'ilay toerana. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ity olona ity nihanika. Be ireo milaza fa saika hangalatra fil izy.
r.s. - r.s. 


4145midi-mg-004835-693-04012008 Olona 19 no tratra
 Ceinture de sécurité  sy  casque 
Olona 19 no tratra
Olona 19 no tratra tsy nanao  ceinture  sy tsy nitondra  casque  omaly, teny amin'iny faritra Ambohibao iny. Nanao hetsika coup de poing ny mpitandro filaminana tamin'iny lalam-pirenena faha-4 iny ary dia izao nahitana vokany izao. Maro mantsy ny olona hita fa tsy dia manaja loatra io lalàna efa nampiharina nanomboka tamin'ny 16 janoary 2007 io ka izany no nahatonga izao hetsika izao.
Mampahatsiahy ny rehetra ny mpitandro filaminana fa hitohy tsy hijanona ny fisavana sy ny fanenjehana ireo mpamily sy mpitondra moto tsy mametaka  ceinture  sy tsy manao  casque .
r.s.


4145midi-mg-004836-6930-19082008 Ny raikeliny ihany no namono ilay vavikely teny Anjanahary
Vonoan'olona
Ny raikeliny ihany no namono ilay vavikely teny Anjanahary
Rehefa vita ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia fantatra izao fa ny raikelin'ilay ankizy vavy hita faty teny Anjanahary no nahavanona ny loza. Izy ihany no voalaza fa nanao ny zavatra rehetra, fametavetana sy famonoana. Raha vao nahafantatra ny vaovao ny mpitandro filaminana dia nanao fanadihadiana teny amin'ny toerana manodidina ny toeram-ponenan'ilay zaza. Tamin'izany no nahafantarana fa nisy tamin'ireo mpiara-monina no nahita an-drangahy nitrotro enta-mavesatra tamin'ny sakaosy ary nivoaka ny tanana ny harivan'ny zoma faha-15 aogositra. Somary hafahafa ny fahitan'ny olona izany.
Niainga avy tamin'izany filazan'ny manodidina izany ny famotorana ka nahatonga ny fisamborana ity rangahy ity. Manambady ara-dalana izy fa misara-teorana. Etsy andanin'izany, manambady ny renin'ity zaza maty ity ihany koa izy. Izany hoe tsy vaovao amin'ilay zaza rangahy. Manofa ny tranon'ny anabaviny ity lehilahy ity. Tao izy sy ny vadiny taloha no nipetraka.
Rehefa nanontanian'ny polisy ny fanalahidin'io trano io izy dia nilaza fa very izany. Fanalahidy hafa tany amin'ny anabaviny no tsy mantsy nampiasaina. Niaraka tamin'ny mpitandro filaminana ramatoa io nandeha tany amin'ilay trano. Hita teo ambony fandriana ny akanjom-behivavy miloko mainty. Norovitina tamin'ny lame ny soson'akanjo ka ny tapany no namonosana ny fatin'ilay zaza. Io no porofo nivaingana nahafahana nitazona an'ilay raikely.
Nandà hatramin'ny farany ho tsy nanao izany ity raikely ity tamin'ny fanadihadiana natao azy. R.J. F.K no anarany ary agent de police izy.

Lire aussi - Boulevard de l'Europe 


4149midi-mg-004841-6937-20082008 &quot;Efa matetika niharan'ny herisetra&quot;
VAVIKELY MATY. Mbola nitohy omaly ny fihainoana an'I K, ilay nahavanon-doza nahafaty zazavavikely enina taona. Mitazona azy avokoa ny porofo rehetra hitan'ny pôlisy na dia mbola mandà ny helony aza izy.
Efa matetika niharan'ny herisetra
Ny zanako izay maty sy niharan'ny herisetra aloha no tena mahaory ahy. Raha mba velona izy mety mba hafa ny fipetraky ny raharaha. Mbola tao anatin'ny fahoriana tanteraka I E.R no nanaiky niresaka taminay ary io avy hatrany no navaliny momba ny fahafatesan-janany izay tena niteraka resa-be teto an-drenivohitra. Aleo izy hizaka izay nafafiny. Raha izaho manokana dia tsy manam-piantrana azy mihitsy, eny fa na dia olon-tiako aza izy hoy ihany ity renim-pianakaviana manazava. Dimy ny zanany ka fahefatra ilay niharan'ny habibiana. Ny momba ilay nahavanon-doza kosa indray dia fantatra fa pôlisy izy ary ny tontolon'ny fanatanjahan-tena no tena ahafantaran'ny maro azy, ny taranja basketball raha ny marimarina kokoa. Raha araka ny vaovao avy amin'ny sampan-draharaha misahana ny serasera eo anivon'ny pôlisim-pirenena dia manam-bady ara-dalàna I K., saingy misara-toerana ireo. Ny vadikeliny - izay mazava loatra fa miaraka amin'ny zana-badiny - izany io iarahany mipetraka io. Re tetsy Nanisana-Soavimbahoaka - toerana izay niandrasàna ny razana - fa efa fanindroany no nihatra tamin'io zazavany io ny fanolanana. Dia mbola io raikeliny io hatrany no nahavanona izany raha ny fanamarihan'ireo mana-manjo. Hatreto aloha dia mitazona io raikely io ny porofo rehetra izay hitan'ny pôlisy misahana ny heloka bevava, na ny teny Anjanahary izany, na ny teny amin'ny trano heverina fa nanatontosany ny herisetra. Anio no halevina eny alatsinain'i Bakara ny razana.
D.R 


4149midi-mg-004842-6938-20082008 Bandy avy aty Ambohimanarina nanendaka polisy
Antsirabe
Bandy avy aty Ambohimanarina nanendaka polisy
Torana mihitsy ity polisy iray nisy nanendaka tao anaty taxi. Lasan'ireo jiolahy ny finday tany aminy sy ny vola. Mbola afaka niantso vonjeo ihany anefa izy ka vetivety dia tonga ny namany. Azo ny mpanendaka iray fa afaka nandositra kosa ny faharoa izay nitondra ny vola sy ny telefonina.
Ny alin'ny latsianiny teo tamin'ny 11 ora no niseho ity asan-jiolahy ity teny Antsenakely Antsirabe tsy lavitra fivarotana lasantsy iray. Avy niasa ity polisy ity ary naka taxi teo amin'io toerana io ndeha hody. Vao tafiditra anefa izy, ireny nisy bandy roalahy namoaka azy avy ao anaty fiara. Tsy nisy resaka fa tonga dia nodarohiny ilay mpitandro filaminana izay nanao akanjo tsotra tamin'io fotoana io. Afaka nanohitra ihany anefa izy saingy efa mafy loatra ny totohondry sy daka nahazo azy koa tsy nahatsiaro tena ny anao lahy. Soa ihany fa tsy dia lavitra loatra ny commissariat no nisehoan'ny endaka ka vetivety dia tonga ny namany. Tamin'izany no nahasamborana ny iray.
Nentina avy hatrany tany amin'ny violon ilay jiolahy. Tamin'ny famotorana natao azy no nahalalana fa avy aty Ambohimanarina izy ireo. Ny resaka fohy natao taminy koa no nilazany fa namonjy famadihana tany Ambohibary ry zalahy izao nilatsaka taty Antsirabe izao.
Fa ny tena nahavariana dia ny fihetsik'ireo izay nahita ny fandehan-javatra. Misy mpiambina eo amin'ilay toby fivarotana lasantsy  saingy nitazam-potsiny. Ilay mpitondra taxi koa, raha vao voadaroka ilay polisy, dia lasa nirifatra nandositra. Mbola karohina izy amin'izao fotoana izao.
Lova 


4149midi-mg-004843-6939-20082008 Vavikely 10 taona voatifitra
Halatra lavanila
Vavikely 10 taona voatifitra
Ankizy vavikely 10 taona no notifirin'ny jiolahy tonga nandroba tao amina tranon'olona mpamboly sy mpanangona lavanila any Ampanefana any Vohemar, tamin'ny alakamisy faha-14 aogositra. Nilatsaka ny lamba notafian'ity zaza ity. Noheverin'ireo jiolahy fa fihetsika hafahafa izany ka izany no nitifirany azy teo amin'ny tongony.
Tokony ho tamin'ny 12 ora alina no tonga ireto jiolahy ireto. Tany ivelany, napoakany ny basy nentin'izy ireo. Rehefa izany, novakiany tamin'ny famaky ny varavarana. Ny roa no niditra tao an-trano, ny roa hafa niandry tany ivelany. Raha vao tafiditra izy ireo mbola nanapoaka basy ihany. Tsy nisy afaka nihetsika ny rehetra. Nofatoran-dry zalahy ny raim-pianakaviana. Ireo ankizy madinika kosa natokana toerana. Nanontanian'ireto mpandroba ny toerana misy ny vola sy ny volamena. Tsy niteny ilay ramatoa ary dia voatefaka. Farany, nanome ny rojo volamena sy nanoro ny toerana nisy ny lavanila. Nafatratra tao anaty gony izany ka nahatratra hatrany amin'ny 130 kg no lasa.
Rehefa azony ireo zavatra ireo dia lasa ireo mpangalatra. Efa nisy fiara niandry azy ireo tany ivelany.
Remi R. 


4149midi-mg-004844-694-04012008 Zandary iray voarohirohy
 DEVISES  HALATRA
Zandary iray voarohirohy
Mbola tohin'ilay famakiana fivarotana mpamongady teny Manakambahiny ihany. Zandary iray, miasa ao amin'ny toby Ratsimandrava, mitondra ny grady GP2 no nalaina am-bavany tetsy amin'ny Sampana misahana ny heloka bevava Anosy fa voarohirohy amin'io raharaha io. Ny fanakalozana ireo vola vahiny very tao nandritra ny fanafihana no mahatafiditra azy amin'izany. Raha tsahivina dia lasan'ireo jiolahy niaraka tamin'ny entana tao amin'io fivarotana io ny vola gasy mitentina 12 tapitrisa sy vola vahiny maromaro, izay rehefa natakalo dia nahatratra an-tapitrisany maro.
Ankoatra ny maha-zandary azy, dia mpanao  bizina  mpanakalo vola vahiny miaraka amin'ny namany eny Antsahavola ity GP2 ity. Tsy nahalala mihitsy izy hoe vola halatra ilay natakalony. Fa rehefa voasambotra ireo jiolahy tamin'ny sabotsy lasa teo, dia ireo no nanondro ilay zandary ho mpiray tsikombakomba aminy. Tsy afa-miala amin'izany izy eo anatrehan'ny lalàna. Na izany aza, ny Fitsarana ihany no afaka manapaka na meloka izy na tsia.
Protocole d'accord
Ao anatin'izao raharaha izao anefa dia tsy voahaja ilay  protocole d'accord , na ilay fifanarahana misy eo amin'ny samy foloalindahy. Fifanarahana izay milaza fa raha zandary no voarohirohy dia tokony ho zandary ihany no manao ny famotorana, na dia any amin'ny polisy aza ny raharaha. Toy izay ihany koa ho an'ny miaramila sy ny polisy. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy natolotra ny zandary io GP2 io. Raha ny tokony ho izy anefa dia na ny  brigade spéciale  ao amin'ny Toby Ratsimandrava na ny  Section des recherches  etsy Fiadanana no handray an-tanana ny famotorana io zandary io.
Tamin'izao raharaha izao dia nisy lehilahy iray mpanakalo vola ao Antsahavola koa nosamborina. Isan'ny nanafika ity fivarotana ity ihany koa i Lesabotsy sy ny namany izay efa gadra nitsoaka. Tsy ho ela dia hatolotra ny Fitsarana ny raharaha ka ho hita ihany ny fivoarany.
Aina R.
 


4149midi-mg-004845-6940-20082008 Tafarina omaly
TROPICANA II
Tafarina omaly
Tafarina soa aman-tsara omaly maraina, rehefa nanahirana nandritra ny fotoana elabe, ilay sambo Tropicana II nahafatesana olona am-polony tany amin'ny ranomasin'i Maroantsetra, herinandro maro lasa izay. Tsy nahitana razana tao, fa na izany aza nahitana ny entan'ireo mpandeha sasantsasany toy ny Passeport, carte VISA, Gilet de sauvetage, biscuit, toile de tente sy kojakoja samihafa. Efa tafarina amin'iza fotoana izao ilay sambo, saingy tsy mbola tafakatra an-tanety noho izy mavesatry ny fasika. Mbola eo am-pikarohana ireo razana 9 sisa tsy hita ihany koa ny tomponandraikitra any an-toerana.



4149midi-mg-004846-6941-20082008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Mahanoro. Trano 116 nirehitra. Haintrano nitranga tao Anosimparihy- Ambodimanga II, Mahanoro ny 16 aogositra teo. Vokany, 291 no tsy manan-kialofana, 116 ny trano may, tsy misy aina nafoy. Vokatry ny fanahazana vily nataon'ny olona iray no nahatonga izay haintrano mahatsiravina izao. Araka ny baiko nomen'ny Sous-Prefet any an-toerana dia avela hanarina ny voina rehetra aloha ny mponina vao hatao ny fanadihadiana sy ny famotorana.
 - Mandritsara. Taolan-dava miisa 181 izay natao tao anaty gony. Tra-tehaky ny zandary avy ao Mandritsara ireo andian'olona izay namaky fasana tao Ankasina..Rangahy roa sy ramatoa iray samy monina ao Pont / Sofia no sarona tamin'izany. Taolan-dava miisa 181 izay natao tao anaty gony 03 no hita tao an-tranon'ilay ramatoa izay nitady mpividy. Any am-ponja vonjimaika avokoa izy telo mianadahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana.
Nangonin'i Aina R sy r.s 


4149midi-mg-004847-6942-20082008 Mpangalatra tao amin'ny banky nifanenjehana hatrany Amparibe
HALATRA. Raha mbola samy variana ny rehetra dia nofaohin'ilay tovolahy ny poketra nipetraka tao anaty birao. Raikitra ny fifanenjehana.
Mpangalatra tao amin'ny banky nifanenjehana hatrany Amparibe
Nitrangana halatra tao amin'ny Banky BOA tetsy Antaninarenina afakomaly antoandro. Tokony ho tamin'ny 1 ora, fotoana fisakafoanan'ny mpiasa iny indrindra no niseho izany. Nangalarin'ny lehilahy iray ny poketran'ny mpiasa tao amin'ny banky. Niditra toy ireny mpanjifa rehetra ireny izy. Niditra tao amin'ny biraon'ny mpiasa ary nofaohiny ny poketra sendra azy teo. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka raikitra ny fifanenjehana. Nenjehin'ny olona ilay mpangalatra ka tany Amparibe, akaikin'ny Kolejy Saint Michel vao tratra. Mbola tratra teny amin'ilay mpangalatra ilay pôketra ary mbola tao avokoa ny zavatra rehetra tao anatiny.
Fiantsoan'ny Fitsarana
Rehefa nosavain'ny pôlisy ilay lehilahy dia nahitana valopy misy vola 1.830.000 Fmg tany anaty pataloany. Nahitana taratasy fiantsoana avy any amin'ny Fitsarana ihany koa. Teo no nahafantarana fa hay tafiditra amina resaka halatra tao amin'ny CONFORAMA tamin'ny volana May 2007 ihany koa ity lehilahy ity.
Ny polisin'ny Faritany, avy etsy Ambohidahy no misahana ny famotorana mikasika ity halatra tao amin'ny banky ity, ka omaly ilay mpangalatra no natolotra ny Fampanoafana tetsy Anosy ary nalefa vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana.
Manambady ary manan-janaka roa ity lehilahy nangalatra tao amin'ny banky ity. Avy any Ihosy izy saingy mila ravinahitra eto an-drenivohitra.

Lire aussi - Antsirabe : Bandy avy aty Ambohimanarina nanendaka polisy - Halatra lavanila : Vavikely 10 taona voatifitra - Tropicana II : Tafarina omaly - Tapatapany 


4181midi-mg-004880-6977-21082008 Hakudokan s'impose
JUDO / TOURNOI DU VAKINANKARATRA. 132 combattants pour ce tournoi d'hiver à Antsirabe avec une suprématie des judokas tananariviens dont Hakudokan.
Hakudokan s'impose
Rideau sur le récent tournoi d'hiver à Antsirabe qui a réuni 132 combattants venus de plusieurs ligues en l'occurrence Analamanga, Boeny, Haute Matsiatra et Vakinankaratra. Les combats des jeunes ont épaté plus d'un, car malgré leur très jeune âge, ils ont montré une admirable maturité. Présidé par Arthur Rajoelison et dirigé par le CTR Andriambahoaka Luc Désiré, ce tournoi a donc tenu toutes ses promesses.
Les résultats
Pré-poussins :-21kg : Mario (uscaj)/ -25kg : Toavina (uscaj) /+30kg : Sammy (koujoukan a/be)
Pré-poussines : -21kg : Mireille (esca) / 25kg : Alginia (esca) /30kg : Mino (uscaj) / +30kg : Benjavola (esca)
Poussins : -25kg : Heritiana (uscaj) / -30kg : Ifaliana(hakudokan) /30kg : Daddy (tafiami)
Poussines : -25kg : Sandra(fianar) / +30kg : Isabelle(hakudokan)
Benjamins : -34kg : Sandratra(uscaj)/ +34kg : Ntsata(fianar) 
Benjamines : -29kg : Fanamby(uscaj) / -33kg ; Ny Akanto (hakudokan)/  -44kg : Tantely(fianar) / +44kg : Volasoa(hakudokan)
Minimes Garçons : -38kg : Fabien (jcea) / -42kg : Tojo(hakudokan) / -46kg : Loïc (St Michel) / -50kg : Rija(hakudokan) / -60kg : Nandrianina(koujoukan)
Minimes filles : -40kg : Vonitiana (koujoukan) / -48kg : Linda(hakudokan) / -52kg : Eva niaina(jcea) / +57kg : Sariaka(hakudokan)
Cadets : -55kg : Andrandraina(hakudokan)/ +55kg : Sitraka(fianar)
Cadettes : -48kg : Patricia(jcea) / -52kg : Nidah (esca)
Junior home : -60kg Oarrsad (uscaj) / -66kg bat Arizo(hakudokan) / -73kg : Fetra(hakudokan)
Junior dame : -57kg : Malala(esca) /
Senior home : -60kg : Tarimy(hakudokan) /  -66kg : Lucien(cosfa) /  -100kg: Irina(cejm)
Anny Andrianaivonirina 
Sports 

4186midi-mg-004886-6982-21082008 Mpiasa 300 nandoa sy nivalana voapoizin'ny sakafo
Antsirabe
Mpiasa 300 nandoa sy nivalana voapoizin'ny sakafo
Zava-doza no nahazo ieo mpiasa marobe tao amin'ny orinasa afaka haba iray teto Antsirabe. Omaly tamin'ny 5 ora hariva dia nahatratra hatrany amin'ny 300 no narary voapoizina tamin'ny sakafo nohanin'izy ireo. Soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy.
Tamin'ny talata antoandro, nisakafo ohatra ny andavanandro ireo mpiasa ireo. Araka ny filazan'ireo voa, henon'omby sy anana no laoka tamin'izay. Dia niverina niasa indray. Mbola tsy nisy naninona aloha hatreo. Ny alina anefa, nipoitra ny zavatra tsy nampoizina. Nisy ny narary ary voalaza fa nandoa sy nivalana. Hatramin'ny omaly, araka ny voasoratra, mbola marobe ireo voa. Ny vaovao azo avy ao amin'ilay orinasa no nahalalana fa tsy nisy mpiasa tonga niasa mihitsy tao amin'ilay toerana.
Maro tamin'ireo mpiasa marary ireo no nandalo tamina hopitaly tsy miankina. Efa nisy ny fitiliana natao hahalalana marina izay nahatonga izao zavatra izao. Hatramin'izao anoratana izao anaefa dia tsy mbola nisy valiny mazava azo. Samy miandry ny rehetra ny amin'izay ho antony nahatonga izao.
Lova 


4186midi-mg-004887-6983-21082008 Maty tsy tra-drano ilay olona novonoin'ilay adala
Ambanidia
Maty tsy tra-drano ilay olona novonoin'ilay adala
Omaly hariva tokony ho tany amin'ny 7 ora tany, nandrasan'ilay adala tamin'ny maizimaizina ny tovolahy iray avy nianatra hira, nokapohiny tamin'ny hazo boribory teo amin'ny hatony ary dia maty tsy tra-drano. Teny Maindrarivo Ambanidia no nisy izany. Nisavorovoro ny iray tanana. Nampilazana ny tomponandraikitry ny fokontany. Tsy niandry izany anefa ny olona fa avy hatrany dia nisambotra ilay adala ka niharan'ny fitsaram-bahoaka teo izy, araka ny vaovao voaray ihany, naratra mafy tokoa ity mpidaroka ity.
Tsy monina eny an-toerana fa nivahiny tamin'ny havany ity olona lazaina fa adala ity. Tsy mba nolazaina tany amin'ny fokontany anefa, araka ny vaovao ihany ny fivahiniany teny an-toerana. Olona tena mbola erotrerony izy io.



4187midi-mg-004889-6985-21082008 Olona telo no voarohirohy
Vaky trano
Olona telo no voarohirohy
Ny talata alina dia nisy namaky ny trano fivarotana telefaonina Telma teo amin'ny Tsena. Olona telo no nosamborin'ny polisy omaly maraina, voarohirohy ho nahavita io asa ratsy io. Very tamin'izay ny ordinateur portable iray, saika lasan'izy ireo koa ny baoritra nisy ny finday hamidy. Henon'ny gardien tao ambadika izany ary niantso vonjy izy io ka izay no nahatavela ity baoritra ity. Avy tamin'ny varavarankely misy grille de protectionno novakin'izy ireo, ka nahafahany niditra tao anatin'ilay boutique. Rehefa natao ny fiantsoana polisy dia mbola hita teo ny fitaovana namakian'izy ireo ilay trano. Mbola mandeha izao ny famotorana  rehetra mahakasika ity raharaha ity. Ireo avy ao amin'ny polisy central no miandraikitra ny fanadihadiana.
V.JCL 


4205midi-mg-004908-7005-22082008 Tapatapany
Tapatapany
. Nisy nanafika ny orinasa Peta tao Lazareh-Diégo ny alin'ny alahady teo. Mpiasa  telo no noratrain'ireo jiolahy talohan'ny nanatontosany ny asaratsiny. Nampandre ny pôlisy ny manodidina ary tsy ela dia tonga teny an-toerana ireo. Raikitra ny fifampitifirana izay nahavoa ny iray tamin'ireo jiolahy raha azo sambo-belona kosa ny roa namany. Maty tany amin'ny hopitaly ilay iray voatifitra ary niteraka ny fahatezeran'ny fianakaviany izay nilaza fa hitory izany.
. Mbola misy hatrany ny harom-paosy ao anaty taxi-be na dia efa miezaka mafy aza ny mpitandro ny filaminana miady amin'izany. Tovovavy iray no lasibatra omaly raha niainga teo Ankadifotsy ka ho any Mahamasina. Nisy nahita ihany ireo roalahy nanatontosa izany saingy tsy sahy niteny noho ny tahotra sao hovonoin'ireo olon-dratsy.
D.R 


4205midi-mg-004909-7006-22082008 NULL
 - MPIANATRA LASAN'NY RANO. Efa nivoaka hopitaly ny roa, mbola tsy hita ny iray. Efa nivoaka ny hopitaly ny alatsinainy 18 aogositra teo, ary efa salama tsara daholo ireo mianadahy, mpikambana ao amin'ny TAMPIKRI avy ao amin'ny Lycée Saint François Xavier Antanimena, lasan'ny ranomasina tany Fort-Dauphin ny alahady lasa teo (Jereo gazety midi 20 aogositra). Mbola tsy hita kosa hatramin'izao ilay tovolahy 18 taona naletiky ny rano. Efa eo am-panaovana fikarohana miaraka amin'ny tomponandraiki-panjakana (Lehiben'ny faritra, Distrika, mpitandro filaminana, fikambanan'ny mpanarato) any an-toerana ny Talen'ny sekoly amin'izao fotoana izao ary mifandray tsy tapaka amin'ny raiamandrenin'ireo mpianatra aty an-drenivohitra.
 - ANJOZOROBE. Ady tany niafara tamin'ny fahafatesana. Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha mahakasika ilay vonoan'olona niseho tany Andreba Anjozorobe, ny 20 oktobra 2007 lasa teo. Olona efatra no voapanga, ka namoaka didy toy izao ny Fitsarana : voasazy hiasa an-terivozona 10 taona ny roalahy, ary ireo mpianaka kosa sazy 5 taona an-tranomaizina. Ankoatra izay dia didian'ny Fitsarana handoa onitra 4 tapitrisa amin'ny mpitory ireo voapanga. Raha tsiahivina dia ady tany no nahatonga izao vonoan'olona izao. Efa teo am-piasana tany ireo voampanga no tonga ilay niharam-boina nitondra famaky. Raikitra ny fifanjevoana ka voa ny iray ary izao niafara tamin'ny fahafatesana izao.



4205midi-mg-004910-7007-22082008 Bala fitifirana raopilanina tany anaty fako
Antsiranana
Bala fitifirana raopilanina tany anaty fako
Tamin'ny alarobia 20 aogositra no nahitana bala lehibe iray teo aminn'y Cité Ouvrière atsinanan'ny CEG tany Antsiranana. Cartouche-na MITAA fanaovana tir anti-aérienne - 12,7 m/m ary misy marika 9376 izy io. Fitifirana raopilanina. Ankizy nilalao teo amin'ilay toerana no nahita azy. Voalazan'ny vaovao fa efa voatsindrona ny vody bala (percuter) saingy mbola tsy nipoaka ity zavatra ity. Mbola tavela tao anatiny izany ny tena bala.
Hatairana ny an'ireo ankizy. Raha vao nahita ilay zavatra izy ireo dia nampandre haingana ny olon-dehibe sy ny lehiben'ny fokontany. Ity farany ity indray no nampandre ny zandary ao amin'ny peloton de survellance. Ry zareo ireo no naka ilay fitaovam-piadiana teo.
Araka ny vaovao voaray ihany, samy mampiasa an'io karazana bala vaventy io na ny miaramila na ny zandary.
Tsy fantatra marina izay nahatonga io bala io teo. Efa mandeha amin'izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana.
Miparitaka
Tsiahivina fa efa nahitana balan-tafondro maromaro ihany koa tany Fianarantsoa, teo akaikin'ny tiribonaly, tany amin'ny fiandohan'ny taona tany ho any.
Mahavariana ny mpanara-baovao isan-tsokajiny ny fahitana ireny fitoavana mahery vaika ireny miparitaka sahala amin'izao any amin'ny toerana tsy tokony hisy azy. Tsy maintsy ho zava-doza no haterany raha sanatria ka tsy ankizy na olona manao sahisahy mivelively na mandoro ireny bala ireny.
Mipetraka ny fanontaniana: avy aiza avokoa ireny zavatra ireny?

Lire aussi - Mpianatra lasan'ny rano 


4215midi-mg-004921-7020-23082008 Olona 16 nosamborina
Olona 16 nosamborina
Aina R.


4215midi-mg-004922-7021-23082008 Mamo nidaroka vehivavy bevohoka
Mamo nidaroka vehivavy bevohoka
r.s.


4215midi-mg-004923-7022-23082008 Maty koa ilay adala nahafaty olona
AMBANIDIA. Iray andro taorian'ny nahafaty ilay olona nodarohiny dia namoy ny ainy ihany koa ilay marary saina.
Maty koa ilay adala nahafaty olona
D.R
Miaramila maty : Olona 16 nosamborina


4240midi-mg-004949-7048-25082008 Ilan-tongotra hitan'ny olona
67 HA
Ilan-tongotra hitan'ny olona
Variana ny mpandalo ary tsy ela dia nitangorona. Tao ny tsiravina ary tao ihany koa ny gaga. Ilan-tongotra iray no hitan'ny olona nipetraka tsara tao anaty tatatra. Tetsy 67 ha, tsy dia lavitra loatra ny biraon'ny paositra no nahitàna izany, omaly atoandro. Mbola tsy simba ilay izy ary heverina arak'izany fa vao haingana no notapahina. Tongon-dehilahy raha araka ny vinavinan'izay nahita. Voamarina kosa fa tapaka hatreo amin'ny ranjony ilay izy. Naterin'ny BMH tany amin'ny tranom-patin'ny Hjra, omaly ihany io rehefa avy nojeren'ny manam-pahaizana teny an-toerana. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay tena tompony sy izay mety ho ao ambadiky ny fanariana azy. Herisetra ve sa kosa noho ny aretina dia tsy maintsy notapahina ? Mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana na dia maro aza ny mahita fa ilay faharoa no manakaiky kokoa ny marina. Izany hoe tsy norarahin'izay olona akaiky ny tompony intsony ilay izy rehefa avy notapahina, raha tena ho izany tokoa. Mampahatsiahy avy hatrany ilay tranga tetsy Anjanahary, vao tsy ela akory izay, izy ity : tongotr'olona norovirovitin'ny alika. Kiriako avokoa izay nahita ary nifanenjehana ilay biby mba hanary ilay rembiny. Raha ny marina dia vao avy notapahina noho ny antony ara-pahasalamana io tongotra io. Dia tsy norarahian'izay mety ho tompon'andraikitra intsony avy ny fandevenana azy. Raha ny tokony hoizy mantsy dia alevina izy ireny ary efa misy toerana natokana hanatontosana an'izany. Toa ny fasam-bahiny ao Anjanahary. 
D.R 


4240midi-mg-004950-7049-25082008 Feno lozam-pifamoivoizana  Najifa ny entana  Nisambotra ny fokonolona
Tana
Feno lozam-pifamoivoizana
Faran'ny herinandro feno lozam-pifamoivoizana. Ny voalohany, tetsy Behoririka, omaly antoandro. Nandona zazalahikely ny fiaran'ny sinoa iray. Maty teny amin'ny hopitaly ilay naratra. Tetsy Iavoloha indray dia nofaohin'ny fiara ka tapa-tanana ny miaramila iray mpiambina ny filoha. Ary mbola omaly hatrany dia nisy kamiao nifaoka fiara kely ihany koa tetsy Andohatapenaka. Vokatry ny fifandonana dia nifatratra tany amin'ny rindrin'olona ilay fiarakely. Ny zoma teo koa dia nisy fiara R5 iray niharan'ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohimiandra. Iray no maty ary telo hafa naratra.
Besarety
Najifa ny entana
Toeram-pivarotana sakafo no nataon'ny jiolahy lasibatra ny alin'ny zoma lasa teo. Nadio tanteraka ary tsy misy na inona na inona navelan-dry zalahy intsony tao am-pivarotana. Nanara-po nandritra ny alina iray mihitsy ireo olon-dratsy tamin'ny fanatontosana ny halatra. Raha ny vaovao azo aza dia nitondra fiara mihitsy izy ireo mba hitaterana ireo entana ! Dia tsy nisy nahita mihitsy izany rehetra izany.
Ambatokaranana
Nisambotra ny fokonolona
Efa-dahy, mpamaky trano, no nosamborin'ny fokonolona tetsy Ambatokaranana ny faran'ny herinandro teo. Nofandrihana izy ireo raha ny marimarina kokoa. Nisy fahoriana teo an-tanàna ary nihevitra ireo jiolahy fa hiandry faty any avokoa ny vatan-dehilahy. Efa mailo anefa ny manodidina ka samy nifanome tànana niambina ny tanàna. Dia io sarona io izy efa-dahy mpamaky trano raha araka ny fanazavan'ny solontenam-pokonolona.
Nangonin'I D.R 


4241midi-mg-004952-7050-25082008 Nananton-tena tao amin'ny toeram-piasany
ILAFY. Nihantona tamin'ny tady, tao amin'ny biraony ihany izy no hitan'ny mpiara-miasa taminy. Tsy tena fantatra izay nitarika azy ho amin'izany. 
Nananton-tena tao amin'ny toeram-piasany
Nandritra ny ora firavàna no nahitàn'ireo mpiara-miasa taminy azy, izay efa nihantona tamin'ny tady. Tsy taiza izany fa tao amin'ny biraony ihany. Rangahy 46 taona, manam-bady aman-janaka, ity namoy fo ity. Ny alakamisy hariva manodidina ny tamin'ny efatra ora sy sasany no niseho izany tao amin'ny toeram-piasany tetsy Ankadikely-Ilafy. Vao avy nihinana tsindrin-tsakafo niaraka tamin'ny mpiara-miasa aminy izy dia namonjy ny biraony. Dia tsy nisy nahita intsony taorian'izay - ny olona rahateo samy somokotra amin'ny asany - raha tsy efa maty. Samy manana ny filazany ny olona raha ny momba ity tranga ity. Tao no nilaza fa manana olana ara-bola izy. Tao koa no nahenoana fa olana ara-pianakaviana no mety ho nitarika azy tamin'io fanapahan-keviny io. Fantatra kosa fa ny fanaovana hoso-doko no tena manavanana azy. Mifandraika amin'izany rahateo ny asany andavan'andro. Tsy mba hita teny amin'ny tavany na ny fomba fihetsiny mihitsy, raha ny fitantaran'ny mpiara-miasa aminy izay isan'ny nahita azy velona faramparany, ny hakiviana. Tsy tao an-tsain'ireo mihitsy arak'izany ny hoe handeha hamono tena ity rangahy ity. Tranga tsy dia vaovao eo amin'ny fiaraha-monina ny famonoan-tena. Raha ny antontan'isa no jerena dia ny tanora, indrindra fa ny vavy, no tena voakasik'izany. Matetika dia olana ara-pitiavana hatrany no tena manosika azy ireny ho amin'izany. Ny an'ny lehilahy kosa indray dia ny olana arak'asa sy ny tsy fahazakana intsony ny tsy fananam-bola no tena antony.  Tsy vitsy ireo bokan-trosa mamoy fo, mba hialàna ny olana mianjady aminy. Ary ny tena mampalahelo dia mihamahazo vahana hatrany izany.
D.R 
Lire aussi - Tana : Feno lozam-pifamoivoizana 


4249midi-mg-004961-7060-26082008 Tafakatra an-tanety ihany i Tropicana II
MAROANTSETRA. Mitohy hatrany ny misitery momba ity raharaha ity. Hita ny sambo ary nosavaina saingy tsy nahitana mangirana izay toerana mety hisian'ireo teratany Taiwanais.
Tafakatra an-tanety ihany i Tropicana II
Iray volana sy tapany taorian'ny nivadihan'ny sambo Tropicana II dia mbola tsy hita ihany ireo teratany Taiwanais isan'ny mpandeha tao anatiny. Fantatra kosa etsy an-danin'izany fa tafakatra an-tanety afakomaly maraina io sambo io. Ny nahazoany tany no ela dia avy hatrany dia nanao ny asany ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Isan'izany ny zandarimaria izay niditra nisava ny tao anatiny. Valizy iray feno akanjo, kara-panondrom-pirenena misoratra amin'ny anaran'i Chang Fan Chyech ary gilets de sauvetage miisa telo no hita tao. Avy hatrany io toe-javatra io dia nandiso ny tombantombana sy ny siosion-dresaka fa hoe nisy faty tao anatiny. Tamin'ny sivy ora latsaka fahefany, iny maraina iny ihany, no vita ny fisavan'ny zandary.
Ahiahy
Mitombo indray izany ny ahiahy momba ity raharaha ity, na ny marimarina kokoa momba ny nanjavonan'ireo Taiwainais tao anatiny. Raha efa hita avokoa, na maty na velona, ireo mpandeha hafa tao anatiny, dia izy ireo irery sisa no mbola nanjavona. Voalazan'ny vavolombelona anefa fa nanao gilet de sauvetage ireo tamin'ny fotoana nitsambikinany tao anaty rano. Izany hoe, raha sanatria ka maty an-drano toy ireo hafa, dia tokony ho hita nitsingevana.
Misitery
Tsahivina fa raha araka ny filazan'ny vavolombelona izay isan'ny mpandeha tamin'io fotoana io, dia nisy ny fifandirana teo amin'ireo Taiwanais sy ny kapitenin-tsambo. Tsy fitovian-kevitra momba ny lalana hizorana no anton'izany, raha ny fitantarany ihany. Voatery najanona ny sambo teo. Nanomboka niditra ny rano ary nisahotaka ihany koa ny mpandeha. Teo no tapa-kevitra ny hisaoty ny maro, isan'izany ireo Taiwanais. Dia teo ihany koa no nahitana azy ireo farany. Mbola mijanona hatrany ny misitery momba ity raharaha ity.
D.R 


4249midi-mg-004962-7061-26082008 Olona telo maty, roa naratra mafy
Maromandia
Olona telo maty, roa naratra mafy
Ny zoma lasa teo dia nisy fiara Nissan 4x4 iray avy any Sambava tra-doza teo Ambodimanga-Maromandia. Olona telo no maty tsy tra-drano. Isan'izany Atoa Armand, tomponandraikitra lojistika ao amin'ny  surveillance de pêche  eny Ampandrianomby Antananarivo. Nisy zaza roa hafa, izany zanaky ny ramatoa iray isan'ny namoy ny ainy tamin'io loza io, mbola tsaboina fatratra. Tsy fantatra mazava hatreto izay mety ho nitarika ity loza ity.
V.JCL 


4249midi-mg-004963-7062-26082008 Nandevina ody tao an-tanimbary, maty voadaroka
Vonoan'olona
Nandevina ody tao an-tanimbary, maty voadaroka
Maty vokatry ny daroka sy ny kapa antsy nahazo azy ny tovolahy iray 25 taona. Tany amin'ny tanàna atao hoe Doanihely any Befandriana Avaratra no niseho ity vonoan'olna ity herinandro lasa izay. Teo amin'ny samy mpihavana ihany no niseho ny fifamonoana. Tratran'ny tompony nandevina ody natao tao anaty tandroka teo amina tanimbary ity tovolahy ity. Tanimbary izay tsy an'iza fa an'ny zanan-drahalahiny ihany. Tsy fantatra marina aloha ny hevitr'ilay ody nalevina.
Teo am-pandevenana izany mihitsy izy no sarona. Tsy nisy namindra fo taminy fa avy hatrany dia nihosim-potaka teo. Tsy vitan'izany fa mbola voakapa antsy ihany koa. Vokatr'izany, maty teo noho eo izy. Amin'izao fotoana izao, mifampitory any amin'ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireto mpihavana ireto.
Raha ny resaka filalaovana ody dia anisan'ny mbola malaza amin'izany iny faritra avaratra atsinanana iny. Maro ny santionany efa notaterina tamin'ny gazety izay samy nahafatesana olona avokoa.



4249midi-mg-004964-7063-26082008 Nanaovana &quot;fomba&quot; vao hita ny razana
MPIANATRA LASAN'NY RANO. Efa ho herinandro taorian'ny nahafatesany vao nipoitra ny vatana mangatsiakan'ilay tovolahy.
Nanaovana fomba vao hita ny razana
Nanaovana fombafomban-tany, niaraka tamin'ireo tompon-drano, teo amin'ny faritra naharendrika azy ilay tovolahy kely vao nipoitra ny razana. Efa ho herinandro taty aorian'ny tsy nahitana azy izany. Ny sabotsy teo tokoa no hita ny vatana mangatsiakan'ilay tovolahy 18 taona, mpianatra avy ao amin'ny Saint François Xavier Antanimena, lasan'ny ranomasina tany Fort Dauphin, ny alahady 17 aogositra lasa teo. Efa simba ny razana tamin'ny fotoana nahitana azy. Efa nialana nenina nandritra ny andro maro tamin'ny fikarohana fa tsy hita mihitsy ny razana ka tsy maintsy nanaovana izao fomba izao. Vao vita izany dia nipoitra ho azy avy any ilay razana. Nampiakarina an-tanety ary nandrasana indray alina tany an-toerana mialoha ny nitondrana azy taty an-drenivohitra.
Telo mianadahy
Raha tsahivina dia ny tolakandron'ny alahady 17 aogositra no nitondran'ny ranomasina ity tovolahy ity teo amin'ny torapasik'Ankoba - Ambinanikely (Fort Dauphin). Telo mianadahy izy ireo no niara-nentin'ny ranomasina tamin'io fotoana io. Ny roa avotra soa aman-tsara, novonjen'ireo surfeurs sendra teo, fa ny iray kosa nalentiky ny rano ka izao tsy hita izao raha tsy afaka herinandro. Rehefa avy nahazo fitsaboana tany amin'ny hopitaly izy mianadahy ireo dia nalefa namonjy ny namany.
Mpianatra ao amin'ny Lycée Saint François Xavier etsy Antanimena (Antananarivo) ireo mpianatra ireo ary nanao lasy tany Fort Dauphin no izao sendra loza namoizana ain'olona izao. Fari-dranomasina mahery dia mahery tokoa no nahavoa io tovolahy io. Misy fihaonan'ny ranomasina amin'ny ranomamy mantsy eo ka mahery dia mahery ny onjan-drano. Izay no iantsoan'ny olona azy hoe Ambinanikely.



4249midi-mg-004965-7064-26082008 Pasitera nahabevohoka ny zanany
Sambava
Pasitera nahabevohoka ny zanany
Tany amin'ny tanàna iray any amin'ny faritr'i Sambava no niseho ity zavatra mamoafady ity fotoana elaela lasa izay. Ingahy pasitera ihany no nahabevohoka ny zanany vavy 25 taona. Ary araka ny vaovao dia niaiky izany ity zanany ity. Ny vadin'io mpitondra fivavahana io mihitsy no nahazoana izao vaovao izao tamin'ny resaka nataony tamin'ny mpanao gazety. Araka ny filazan-dramatoa io, dia efa ela no nahitany fihetsika hafahafa teo amin'ity vadiny. Zavatra izay mamoafady tokoa. Amin'izao fotoana izao, dia voatery nandao ny tokantranony ramatoa.
Mamy A. 


4249midi-mg-004966-7065-26082008 Hita faty tao anaty alana mangahazo
Sambava
Hita faty tao anaty alana mangahazo
Tovolahy 25 taona no hita faty tao anaty alana mangahazo tany amin'ny tanàna atao hoe Ambalabao, Sambava. Manana voly mangahazo maromaro mihitsy ity tovolahy ity. Misy mangalatra foana anefa izany ka leo ihany izy nony farany. Indray andro, nisy lanonana teo an-tanàna. Rehefa maraina ny andro, gaga ilay lehilahy fa nisy nangalatra indray ny mangahazony. Tamin'ny alakamisy lasa teo, nisy fety hafa indray. Tapa-kevitra izy fa ho any an-tsaha hiambina sy hitsikilo ilay mpangalatra.
Tsy niverina nody intsony anefa izy nanomboka tamin'io andro io. Nandrasana ny zoma, mbola tsy tonga ihany. Ny sabotsy vao tapaka-kevitra ny fianakaviana hitady azy. Natao ny fikarohana ka io ny fatiny efa manomboka ho simba no hita tao anaty tany mangahazo. Nahitana ratra maromaro teny aminy. Nisy dian'antsy ny sofiny sy ny tarehiny havanana, tapaka ny hazon-damosiny.
Mpiandry tsatoby amina ekipa milalao kitra iray ao an-tanàna izy. Hisy ady baolina ny faran'ny herinandro. Anisan'ny nitady azy koa ireo mpiara-milalao aminy.
Remi R. 


4249midi-mg-004967-7066-26082008 Kisoa lehibe nosoloina kisoa kely
Antsirabe
Kisoa lehibe nosoloina kisoa kely
Nisehoana halatra kisoa narahina vazivazy hafahafa teny Atsinanan'Ivohitra tamin'ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy naheno ny fahatongavan'ny mpangalatra ny tompon-trano. Nentiny ny kisoa lehibe iray ary nosoloiny kisoa kely iray. Rehefa maraina ny andro, gaga ny tompony ary nitondra ny raharaha tany amin'ny tomponandraikitra. Teny Ambohimena indray, nalain'ireo mpangalatra ihany koa ny kisoa iray tao anaty tranony. Nasian'izy ireo soratra tamin'ny saribao teo nanao hoe : tsy misy kisoa intsony ato.
Ankoatra ny halatra kisoa, dia mirongatra ihany koa ny halatr'omby any amin'ny faritr'i Mandoto. Tamin'ny faran'ny herinandro teo dia omby miisa 50 no very.
Lova 


4286midi-mg-005005-7106-27082008 Lanonana nivadika fifamonoana
Nosy Varika.
Lanonana nivadika fifamonoana
Olona roa no voatsatoka antsy. Maty vokatr'izany ny iray, ny faharoa kosa naratra mafy. Tany amin'ny faritr'i Nosy Varika no niseho ity fifamonoana ity. Nisy lanonana tao an-tanana. Asa izay zavatra niseho fa raikitra ny gidragidra. Niafara tamin'ny tsatoka antsy izany.
Raha vao nahita ireo namely tamin'ny antsy fa lavo ireo nifanandrina taminy dia rifatra nandositra. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary natao ny fisamborana azy ireo. Tsy naharitra ela dia voasambotra ny roa. Mbola tsy ampy taona ary mbola mianatra ao amin'ny kilasy fahatelo ny iray tamin'izy ireo.
Efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny zandary hahalalana ny marina mikasika izao ady izao.
r.s.


4286midi-mg-005006-7107-27082008 Olona roa maty, iray voatifitra, iray voakapa antsy
Halatra sy vonoan'olona.
Olona roa maty, iray voatifitra, iray voakapa antsy
Mirongatra izay tsy izy ny halatra omby arahina herisetra any amin'ny faritr'i Mandoto. Olona roa no fantatra amin'izao fotoana izao fa maty vokatry ny hetraketraky ny dahalo. Samy tompon'omby avokoa izy ireo. Ny iray voatifitra, ny faharoa voarasarasa antsy sy voakapa famaky. Ankoatra izany, olona telo hafa koa no naratra vokatry ny tifitra nahazo azy ireo. Voalazan'ny vaovao fa basy tena mahery vaika no ampiasain'ireo jiolahy. Mamahatra mihitsy ry zalahy raha vao mahita fa misy manaraka azy. Tsy maharesy azy ireo rahateo rehefa raikitra ny fifandonana satria tsy mitovy ny fitaovana ampiasaina.
Amin'izao fotoana izao, tao anatin'ny fotoana fohy monja: roa herinandro, dia nahatratra hatrany amin'ny 140 ny omby lasan'ny mpangalatra. Faritra maro no voatafika : Ambatokazo, Anjoma Ramartine, Antanetitelo ( tao no nisy olona roa maty), Ambohidranandriana sy Ambohibehivavy. Tamin'ny fanarahana dian'omby no namelezan'ny dahalo ireo olona ireo.
Efa fantatra mantsy ny lalana hitondran'ireo mpangalatra ny omby. Mandeha any amoron'i Tsiribihana, mihazo an'i Bemalaky sy Lavarivo. Amin'izao fotoana izao dia efa misy ny hetsika ataon'ny mpitandro filaminana. Tsy mbola nisy tratra kosa anefa ireo dahalo ary tsy mbola nisy tafaverina ny omby.
Miverina indray araka izany ny herisetra ataon'ny mpangalatra. Anisan'ny faritra tena nafana iny andrefan'Antsirabe iny tany aloha tany. Somary lefy kely ny halatra omby tao anatin'ny volana vitsivitsy dia manao ny ataony indray ry zalahy izao.
Lova


4286midi-mg-005007-7108-27082008 Voarasa antsy ilay ramatoa
Voarasa antsy ilay ramatoa
r.s.


4286midi-mg-005008-7109-27082008 Taxi-be tapaka frein, olona 12 naratra
ANDRANOMENA. Tsy fitandremena kely fotsiny dia nandratrana olona maro, sy nanimbana fitaovam-piasana.
Taxi-be tapaka frein, olona 12 naratra
Aina R.
Nosy Varika : Lanonana nivadika fifamonoana


4295midi-mg-005018-7119-28082008 SOCIO...  ...SCOPIE
SOCIO...
...SCOPIE
Société 

4305midi-mg-005029-7129-28082008 Norarahana  pétrole  dia nodorana ny filahiany
Norarahana  pétrole  dia nodorana ny filahiany
May tanteraka ny filahian'ity rangahy iray. Hatramin'izao dia mbola tsaboina any amin'ny dokotera izy.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Antanifotsy II any Sambava no niseho ity hatezerana narahana habibiana ity. Misy vehivavy iray eo an-tanàna. Mbola tsy manambady izy io ary somary ratsy fitondran-tena, araka ny voalaza. Nisy lehilahy iray naniry ny hiaraka aminy taty aoriana. Nilaza tokoa ramatoa fa tsy manambady. Raha ny marina anefa manana sipa raikitra izy.
Ny talata alina lasa teo, raikitra ny fiarahan'izy sy ilay lehilahy nikaoty azy. Ary niara-natory tao amina trano iray. Rehefa afaka elaela anefa, nisy nandondom-baravarana. Nikoropaka izy roa ireo niarina haingana ary samy nampiditra ny akanjony. Tamin'izay fotoana izay, tafiditra ny trano ihany koa ilay sakaiza raikitra. Raha vao hitany fa misy lehilahy hafa tao an-trano dia notsiloviny tamin'ny lampe de poche teny amin'ny masony. Nobedainy ny tanany roa ary nafatony tamin'ny lamba. Tsy nijanona teo ny zavatra fa voan'ny totohondry izy ka lavo tamin'ny tany.
Nalain'ilay sakaiza raikitra ny fanaovan-jiro mandeha amin'ny pétrole. Nararany tamin'ny filahian'ity rafilahiny izany ary narehetiny tamin'ny afokasoka ka nidedaka. Tsy nisy azony natao afa-tsy ny nikodiadia tamin'ny tany hamonoana ny afo; ny tanany rahateo nifatotra. Maty ihany ny afo saingy may ny filahian-dranamana.
Mamy Augustin


4306midi-mg-005031-7130-28082008 Nizara roa ny lohany voakapa antsibe
Nizara roa ny lohany voakapa antsibe
Mamy A.


4307midi-mg-005033-7132-28082008 Tovolahy 13 taona, maty  
Tovolahy 13 taona, maty  
Aina R.


4319midi-mg-005046-7146-29082008 Rangahy very faty, ramatoa matin'ny fiara
TANTARA MAMPALAHELO. Mpivady samy niharan-doza, ralehilahy very faty tamin'ny TROPICANA II, ny vadiny maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana.
Rangahy very faty, ramatoa matin'ny fiara
Samy nahita tamin'ny haino aman-jery ny rehetra mikasika ny faharendrehan'ny sambo TROPICANA II. Samy naheno ihany koa ilay fiaran'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono niharan-doza tany Ambanja ka nahafatesana olona efatra. Tsy nisy nanam-po anefa fa misy ifandraisany ireo loza roa ireo. Ny antony dia nisy mpivady samy niharan-doza tamin'ireo. Mampalahelo tokoa ny fiafaran'ny tantaran'ireto mpivady ireto. Rangahy izay mpiasa ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono (MAEP) any Sambava, very faty tamin'ny faharendrehan'ny sambo TROPICANA II tamin'ny 11 jolay, ny vadiny kosa maty tamina lozam-pifamoivoizana tany Maromandia Ambanja tamin'ny zoma 22 aogositra teo.
Mpivady, saingy efa misara-toerana efa hatry ny ela ireto olona roa ireto, ka ramatoa nisafidy ny honina any ampitan-dranomasina. Rangahy kosa nanohy ny asany tao amin'ny MAEP tany Sambava. Rehefa tsy hita popoka tamin'ny faharendrehan'ny sambo TROPICANA II ilay rangahy dia nisy namaky ny tranon'izy ireo tao Sambava. Naheno ny loza nihatra tamin'ny vadiny sy ilay halatra tao an-trano ramatoa ka nody taty an-tanindrazana, niaraka tamin'ny zanany vavy. Nanome fiara ny MAEP mba ho hoentin'izy ireo hankany Sambava haka ny entana sisa tavela tao. Tamin'ny fiverenan'izy ireo avy any anefa no niharan-doza teo amin'ny tetezan'i Maromandia, Ambanja (RN6 - Mampitohy an'Antananarivo sy Antsiranana) ny fiara 4x4 nitondra azy ireo ny marainan'ny zoma 22 aogositra tamin'ny 6 ora sy sasany. Olona efatra no indray namoy ny ainy tamin'izany: ilay ramatoa vadiny, ny havan'ilay rangahy iray, ny mpamily, ary mpiasan'ny MAEP iray. Ilay zanak'izy ireo vavy ihany sisa velona ary mbola manaraka fitsaboana hatramin'izao.
Misy karazana borne mampizara roa ny tetezana teo amin'io toerana nahavoa an-dry zareo io. Nandona izany ilay fiara ka izao nahafaty olona izao. Mafy tokoa ny fifandonana satria tafiditra hatrany anaty fiara ny moterany.
Tokony hesorin'ny tomponandraikitra haingana ireo borne anaty tetezana amin'iny RN6 ireny satria tena mampidi-doza tokoa. Manaporofo izany ity loza nahafaty olona efatra ity.

Lire aussi - Antsiranana : Tantsambo karana iray voarohirohy tamin'ny halatra 


4319midi-mg-005047-7147-29082008 Tsy nahetsika ilay omby voadonan'ny fiara  Tranon-jiro nirehitra
Lozam-pifamoivoizana
Tsy nahetsika ilay omby voadonan'ny fiara
Omaly tokony ho tany amin'ny 1 ora tolakandro tany, nifandona tamina omby vositra lehibe roa ny fiara taxi-brousse mampitohy ny renivohitra amin'ny tananan'i Mahajanga. Vokany, tsy afaka nihetsika teo amin'ny toerana nahavodoana azy ny iray tamin'ireo biby. Olona iray ihany koa no fantatra fa naratra tao anatin'ilay fiara. Teny amin'ny faritra Ampamotokana eny amin'ny PK 37+100 amin'ny RN 4 no niseho ity zavatra ity. Avy nivoaka tanaty fiolahana ilay atxi-brousse ary hihazo ny lala-mahitsy, no nipaoka ireo biby ireo. Tampoka ny fandehan-javatra satria tsy hitan'ingahy mpamily mihitsy ireo omby vositra be roa ireo. Tombanana ho any amin'ny 800 000 Ar ny vidin'ny iray amin'izy ireo.
r.s.
Tranon-jiro nirehitra
Tamin'ny talata hariva teo tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany, nipoaka tampoka ny tranon-jiro iray teny amin'ny faritra Ampandrana tsy dia lavitra ny kolejy Rasalama. Samy taitra avokoa ny mponina ka nandeha nizaha ny zava-nisy. Nivoaka avy tao anaty trano tao ny lelafo. Natao haingana ny famonjena izany. Nifanome tanana ny mpamonjy voina sy ny mponina ka tsy dia naharitra ela ny famonoana ny afo. Tokantrano maro teo amin'ny manodidina no niaina tao anaty haiziana tamin'io alina io, nandritra ny ora maro mihitsy. Tapaka vokatr'io fipoahana io ny herinaratra.


4319midi-mg-005048-7148-30082008 Tantsambo karana iray voarohirohy tamin'ny halatra
Antsiranana
Tantsambo karana iray voarohirohy tamin'ny halatra
Ny alarobia hariva teo, tao amin'ny trano fivarotana asan-tanana malagasy Marthe Ravaozanany, no nitrangana halatra. Araka ny  nambaran'ny mpivarotra  dia olona roa izy ireo no tao anaty trano fivarotana, miaramila tantsambo karana. Ny iray naka ny entana, ny faharoa kosa no mpanakona ny  caissier . Teo amin'ny fandoavana ny vola dia tsy nefainy ny vidin'ny iray tamin'ny entana nalainy. Hitan'ilay mpivarotra anefa ny nampidirany azy tao anatin'ny  kitapony. Rehefa nanontanin'ilay mpivarotra izy dia nilaza fa tsy  nisy izany tao. Natao ny fisavana ka nahitany  cadre photo   vita malagasy. Tsy nanaiky kosa ny mpivarotra fa naniraka azy handoa ny vidin'entana. Nandà kosa anefa izy tamin'ny fanondroana azy ho mpangalatra. Raha mbola teo ampiresahana izy roalahy sy ny mpivarotra dia nisy andian'ny miaramila  karana miisa valo, hoy ihany izy, saika hiditra an-keriny tao anatin'ilay trano fivarotana, hamoaka ny namany. Voatery nakatony  ny varavarana ka niantso ny polisy ry zareo. Tetsy andaniny kosa nilaza ilay miaramila karana izay voatondro ho mpangalatra fa tsy nieritreritra ny hangalatra velively izy, saingy mbola tamin'ny fotoana hamoahany ny vola dia efa niteny azy ho mpangalatra ilay tompon'entana. Efa natao ny fifampiraharahana ary nanaiky ny handoa ny vidin'ny entana ireo karana . Io   cadre photo  io dia nitentim-bidy iray alina ariary (Ar 10.000) fotsiny, kanefa dia nampiteraka fanalam-baraka teo amin'ity miaramila karana izay mandalo eto Antsiranana sy iry mpivarotra entana malagasy.
Rehefa nanaiky handoa ilay vidin'entana ireo karana dia nanaiky ihany ilay tompony, nefa nilainy hifona aminy aloha, alohan'ny handraisany ilay vola. Tsy nanaiky izany anefa ireo karana ireo. Rehefa tsy nisy ny filaminana dia nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana, ka nitondra azy ireo teny amin'ny  poste central de la police  . Nifanaraka ihany anefa ny roa tonta tamin'ny fandaminana farany, na dia tsy nifona azy ilay karana. Ny fanontaniana mety hipetraka dia ny hoe : ahoana ny mety ho fifandraisan'ny faritra Diana sy ny Inde aorian'iny sy ny mpivarotra entana vita malagasy ?
Nambaran'ny lehiben'ny faritra DIANA Rtoa ANJARA Manantsara, omaly tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety fa tsy misy atahorana ny fifandraisana satria efa voalamina ny raharaha rehetra mahakasika iny zavatra iny. Nambarany ihany koa fa misokatra ho an'ny faritra DIANA ny firenena Indianina amin'ny  fifanakalozana ara-barotra, fanomezana fiofanana ireo tantsaha sy ny mpandraharaha eto antoerana, fanomezana vatsim-pianarana ny mpianatra ato  amin'ny faritra. Farany, nilaza izy fa hisy mpandraharaha Indianina ho tonga aty Antsiranana amin 'ny volana septambra ho avy izao.


4329midi-mg-005059-716-05012008 Trano iray nirodana vokatry ny orana
Ambatomitsangana.
Trano iray nirodana vokatry ny orana
  Omaly tokony ho tamin'ny 4 ora latsaka dia nianjera ny ilan-trano lehibe iray tetsy Ambatomitsangana-Behoririka. Araka ny fantatra dia efa nanomboka tsy nipetraka tao intsony ny olona satria efa fotoana elaela ihany ilay trano no nahitana tresaka. Na izany aza anefa dia mbola tao avokoa ny entana. Omaly tamin'iny orana avy iny moa no nianjera ny ilan'ilay trano. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna nanampy tamin'ny famoahana ny entana. Tsy maintsy narodana tanteraka ihany koa avy eo io ilany nianjera io, ambony sy ambany. Tsy nisy kosa ny olona naratra. Trano lehibe ilay izy ka mbola misy ilany hafa mijoro tsara tokoa. Nojerena ihany koa izany ka hita fa mbola tsy misy atahorana ary afaka mipetraka ao tsara ireo olona ao anatiny. Amin'izao fotoanan'ny orana izao dia tokony ho mailo hatrany ny rehetra indrindra ireo monina amin'ny toerana somary kisolasola sy amin'ny trano tranainy. Be loatra ny rotsak'orana tato ho ato ka atahorana tokoa ny fikorisan'ny tany isan-karazany.
r.s.


4344midi-mg-005076-7177-30082008 Nomamoina ireo tovovavy dia saika haolana
ANDAKANA
Nomamoina ireo tovovavy dia saika haolana
Tranga niseho teny Andakana afakomaly hariva, tokony ho tamin'ny 5 ora. Tovovavy efatra, 15 ka hatramin'ny 17 taona no saika haolana tovolahy telo rehefa avy nampisotroiny toaka. Toy izao ny fisehony. Teny Antanimena no nihaonan'izy ireo ny hariva tokony ho tamin'ny 5 ora. Olona tsy mifankahalala fa sendra nandalo, tanatina fiara Golf ireo tovolahy no nosakanan'izy efa-bavy mba hitondra azy ireo mody. Nijanona ny fiara ary niditra ireto zaza tsy ampy taona. Roboka koa moa nahita ity fiara tsara tarehy ka dia lasa. Rehefa tonga teny Andakana dia nijanona ny fiara ka niara-nisotrosotro tao anaty fiara izy rehetra. Rehefa nanomboka niakatra ny herin'ny alikaola dia nanita-kevitra ny hanolana ireto zaza tsy ampy taona izy telolahy. Mailo anefa ny iray tamin'izy ireo ka niantso an-telefaonina olona iray fantany mipetraka eny amin'ny manodidina eny. Tonga teo tokoa ilay nantsoina niaraka tamin'ny mpitandro filaminana ka nosamborina avy hatrany izy telolahy ary nentina tany amin'ny biraon'ny zandary mba halaina am-bavany ary notazonina tao ihany koa.



4344midi-mg-005077-7178-30082008 Lehilahy maty nianjera avy eny an-davarangana
ANTANIMENA
Lehilahy maty nianjera avy eny an-davarangana
Tsy tana intsony ny ain'ilay lehilahy nianjera avy eny ambony lavarangana afakomaly hariva tetsy Antanimena. Voalaza fa avy namonjy fivoriana izy tamin'io fotoana io ary tsy fantatra na nisy nanosika na nianjera ho azy na ninia nitsambikina mihitsy, fa avy eny amin'ny rihana faharoa izy no nilatsaka. Mbola eo am-panaovana famotorana mikasika io antony io ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana hanaovana fizahana ifotony. Dokotera no asan'ity lehilahy ity ary 51 taona izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao.



4344midi-mg-005078-718-05012008 Fatin-dehilahy nihantona tamin'ny fehikibo   
Fatin-dehilahy nihantona tamin'ny fehikibo
 
Navelam-badiny irery tao an-trano rangahy fa izy lasa nivoaka nividy zavatra. Akory anefa ny hatairany rehefa niverina tamin'ny fahitana ny fatim-badiny mihantona mifatotra fehikibo. Zava-nitranga teny Itaosy afak'omaly alina io. Tsy mbola voafaritra mazava na namono tena ilay rangahy na ahoana. Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Raha toa ka namono tena, tsy misy mahafantatra ny antony ihany koa. Ny tao an-tokantrano anefa toa tsy nisy disadisa. Mbola vao erotrerony ilay rangahy, satria mbola manodidina ny 30 taona. Asa anefa izay antony nahatonga azy hanao izao fihetsika izao. Raha araka ny vaovao heno aloha dia toa avy nisotrosotro izy io nody tao an-trano io, ary tsy dia be resaka fa avy dia namonjy fandriana, ary izao izy hita nihantona tamin'ny fehikibo izao.  
Tao anaty rano
  Ankoatra an'io fatin-dehilahy teny Itaosy io, dia nahitana razana hafa koa teny Sabotsy Namehana omaly. Ny fokonolona no nahita ilay razana tao amin'ny ranon'Imamba. Hatreto dia tsy mbola voafaritra mazava ny antony mety nahafaty ity tovolahy ity. Tsy nahitana ratra na diana vono teny amin'ny tenany fa dia ny razana nantsingevan'ny rano fotsiny no hitan'ny olona. Efa eo am-pelatanan'ny manam-pahefana ny raharaha ary efa misokatra ny famotorana hahafantarana ny marina rehetra. Tsy misy mahalala ity olona maty ity ny olona eny amin'ny manodidina. Teny aminy rahateo tsy nahitana antontan-taratasy nahafahana mamantatra ny momba azy. Mampandre izay mipetraka eny amin'ny manodidina eny ka manan-kavana very, arak'izany, ny tomponandraikitra eny an-toerana hijery ny razana. Matetika ahitana razana atsingevan'ny rano eny amin'iny faritra iny, raha tsy hilaza fotsiny afatsy ny fatin'ilay ramatoa hita teny tamin'ny faran'ny taona.
Aina R.


4344midi-mg-005079-7180-30082008 Fakana sary mamoafady, olona 6 voasambotra
AMPEFILOHA. Mbola teo am-pakana sary mihitsy izy ireo no nosamborina. Misy amin'ireo tovovavy no mbola tsy ampy taona.
Fakana sary mamoafady, olona 6 voasambotra
Vazaha lahy iray, lehilahy Malagasy iray ary tovovavy efatra no indray noraofin'ny polisy avy ao amin'ny sampana miaro ny zaza tsy ampy taona (SCPMPM) omaly tolakandro, tetsy Ampefiloha. Ny antony dia noho ny fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Naka sary teny an-dalambe miaraka tamina fitafiana tsy mendrika mantsy izy ireo. Zara fa mitafy ireo tovovavikely. Hita avokoa ny atin'akanjony rehetra, tena mahamenatra mihitsy. Tsy vitan'izay fa tsy ampy taona akory ny sasany amin'izy ireo, hoy ity ramatoa iray nahita azy ireo ary nampandre ny polisy.
Efa avy naka sary teny amin'ny Kianjan-dRafalimanana teny Ambodinisotry izy ireo, nifindra teny amin'ny lalamby teny Ampefiloha mialoha ny nidirany  tao amin'ilay hotely iray izay nahatratrarana azy ireo.
Sary marobe
Mbola nahitana sary marobe miaraka tamin'ireo fitafiana ireo tany anatin'ny fakan-tsarin'ilay vazaha. Tazonina halaina am-bavany etsy amin'ny biraon'ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona amin'izao fotoana izao ireo olona enina voasambotra ireo (ilay vazaha 47 taona, ilay tovolahy 24 taona, tovovavy telo 17 taona ary tovovavy iray 23 taona).
Araka ny fanadihadiana natao, dia milaza ho manana trano fakan-tsary matihanina eny Ampandrana ity teratany vahiny ity; ary ilainy amin'ny asany ireo sary ireo. Na izany na tsy izany, dia voararan'ny lalàna ny fanaovana fihetsika toy izao eny an-dalambe. Mainka fa fihetsika atao miaraka amina zaza tsy ampy taona. Mbola eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana ka ho hita eo ny ho tohin'ny raharaha.

Lire aussi - Andakana : Nomamoina ireo tovovavy dia saika haolana - Antanimena : Lehilahy maty nianjera avy eny an-davarangana - Adultère : Un vazaha porte plainte contre un autre 


4384midi-mg-005120-7220-01092008 Roavavy may kilan'ny afo
MANANJARY. Niady izy mivady, nohidian'izy ireo tany ny zazany roa vavy.
Roavavy may kilan'ny afo
Trano enina no indray nirehitra, ary olona roa, mpirahavavy no maty, may kilan'ny afo. Loza niseho tany Andovosira-Mananjary ny alin'ny sabotsy teo tamin'ny 10 ora sy sasany alina. Araka ny vaovao voaray dia adin'ny mpivady no nahatonga izao haintrano izao. Voalazan'ny manodidina fa niady izy mivady ny hariva mialoha ny nirehetan'ny trano, ka rangahy no nandao ny tokantrano voalohany. Fotoana fohy taorian'izay dia nivoaka koa ramatoa ka nohidiany tao ny zanany mirahavavy, izay 9 sy 14 taona. Voalaza ihany koa fa ny jiro labozia tao an-trano no niatombohan'ny afo, satria avy ao amin'io efitra nisy azy roavavy io mihitsy no nirehitra voalohany. Vokany trano enina no may ary izy mirahavavy koa tavela tao.
Tamin'ny fizahana nataon'ny mpitandro filaminana manao ny fanadihadiana no nahitana fa tao ambony rihana izay mirahavavy no natory, ka rehefa nirehitra ny trano dia nianjera taty ambany ny razana. Tapitra may avokoa ny fanaka rehetra tao an-trano.
Tsy hita
Tsy hita popoka hatramin'izao izay nalehan'ilay renin'ireto zaza maty ireto. Izy niala tao an-trano ny harivan'ny sabotsy no nahitan'ny olona mipetraka eo amin'ny manodidina azy farany dia izao izy tsy hita izao. Efa mandray an-tanana amin'ny famotorana izay tena mety ho anton'ny nirehetan'ny trano ny mpitandro filaminana any an-toerana amin'izao fotoana izao. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ity renim-pianakaviana tsy hita popoka ity. Matoa mantsy izy nanjavona dia mety ho misy zavatra hafahafa ao ambadik'izao haintrano nahafatesan'olona izao.
Nananosarotra ny famonoana ny afo,  satria ny fokonolona ihany no nifanome tanana naka rano teny an-dranomasina sy tamin'ny vovo nanondrahana ny afo. Tsy manana mpamonjy voina toy ny tanan-dehibe rehetra  mantsy ny tananan'i Mananjary.
HAR/Aina R. 


4384midi-mg-005121-7221-01092008 Fianakaviana 10 mianaka niara-tra-doza
ANKAZOBE. Avy namonjy lanonam-pianakaviana ary hamonjy fodiana izy mianakavy no izao niharan-doza izao.
Fianakaviana 10 mianaka niara-tra-doza
Olona 10 no naratra ary ny roa no tena voa mafy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ankazobe ny harivan'ny zoma teo, tamin'ny 5 ora hariva. Fiara Mercedes 207 ireny ilay fiara nitondra ireto mpianakavy ireto. Voalaza fa fahatapahan'ny frein no nahatonga ny loza. Tsy voafehin'ny mpamily intsony ilay fiara ka nivoaka ny lalana, vokany olona 10 no naratra ka ny roa no tena voa mafy. Ny iray tapaka ny tongony, ny iray kosa voa teo amin'ny lohany.
Ny alina nisehoan'ny loza ihany dia nalefa teny amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ireo naratra, ka rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy dia nalefa nody ny valo, fa ny roa kosa mbola notazonina eny.
Na dia mafimafy ihany aza ny fahavoazana nahazo ilay fiara sy ireo mpandeha tao anatiny dia soa fa tsy nisy aina nafoy tamin'ity loza ity. Avy namonjy lanonam-pianakaviana tany Antsiranana ary hamonjy fodiana aty an-drenivohitra ireto mpianakavy ireto no izao niharan-doza izao.
Soavinimerina - Ambositra
Nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa tany Soavinimerina  sy tany Ambositra (lalam-pirenena faha-7). Loza izay samy namoizana ain'olona. Ny voalohany tetsy Soavinimerina dia mpitaingina bisikileta voadonan'ny fiara Mercedes avy any Anjozorobe. Loza niseho ny sabotsy teo tamin'ny 6 ora sy sasany hariva. Naratra mafy ilay voadona, tsy tana intsony anefa ny ainy fa teny an-dalana hamonjy hopitaly ihany dia maty. Tazonin'ny zandary hatao famotorana kosa ilay mpamily amin'izao fotoana izao.
Ny loza niseho tany Ambositra kosa dia niseho ny 27 aogositra lasa teo tamin'ny 7 ora hariva. Teo amin'ny toeram-piantsonan'ny taxi-brousse (Iajaky) no niseho ny loza. Mpitaingina môtô no nodonin'ny fiara minibus mpitatitra olona. Tamin'ny fotoana nahatongavan'ny fiara avy aty Antananarivo mihitsy no niseho ny loza. Nanapaka tampoka ilay môtô, ka tsy tafala intsony ilay fiara. Voatarika lavidavitra mihitsy ilay môtô sy ireo olona roa teo amboniny izay vao tafajanona ilay fiara nandona. Naratra mafy ireo niharan-doza ka ny iray tsy tana ny ainy ary ny iray kosa tsy nahatsiaro tena.



4384midi-mg-005122-7222-01092008 Zaza maty voapoizin'ny sakafo  Efa-dahy mirongo basy nanafika
AMPITATAFIKA
Zaza maty voapoizin'ny sakafo
Samy narary avokoa izy mianadahikely nihinana tamin'ity sakafo voapoizina ity. Tsy tana anefa ny ain'ilay lahikely vao 5 taona monja. Loza niseho teny Ampitatafika ny tolakandron'ny alahady teo. Nihinana mangahazo efa simba izy mianadahy. Niteraka aretina ho  azy ireo anefa izany ary izao nitarika ny fahafatesan'ny iray izao. Tsy maty teo noho eo fa mbola nandoa sy nivalana izy mianadahy. Nentina haingana teny amin'ny HJRA notsaboina. Indrisy anefa fa tsy tana ny ain'ilay lahikely. Mbola eny amin'ny hopitaly manaraka fitsaboana kosa ilay anabaviny hatramin'izao. Taorian'ny fizahana nataon'ny dokotera tao amin'ny tranom-patin'ny hopitaly dia natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan'ilay tovolahikely.
AMBALAVAO ISOTRY
Efa-dahy mirongo basy nanafika
Notafihina jiolahy miisa efatra ary mirongo basy ny tokantranon'ny mpivarotra iray etsy Ambalavao Isotry afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amin'ilay tokantrano izy efa-dahy ary nanery ireo efa-bavy izay niandry trano tao hanome azy ireo ny vola rehetra tao an-trano. Namely anefa ireto farany fa tsy misy vola ao fa tavela any am-pivarotana. Tsy niala maina anefa ireo mpanafika fa nibata izay zakan'ny tanany tamin'ireo kojakojan-tokantrano tao. Voalazan'ireo niharam-boina fa nitondra basilava iray sy basy poleta iray ary antsilava ireo jiolahy nanafika tao aminy.
Aina R. - Aina R. 


4390midi-mg-005129-723-07012008 Faty iray voasaringotry ny hazo natsingevan'ny rano
Ikopa.
Faty iray voasaringotry ny hazo natsingevan'ny rano
  Omaly alahady tokony ho tamin'ny 7 ora sy 20 minitra no tonga teny Ankadimbahoaka ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna nampiakatra an-tanety ny fatina tovolahy iray natsingevan'ny rano tao Ikopa. Tsy vitan'ny nitsingevana fotsiny ilay izy fa voasarangotry ny hazo teny afovoany teny. Rehefa tafakatra teny amin'ny sisiny ilay izy dia hita fa mbola niakanjo. Rehefa nojerena izany dia hita tany aminy ny kara-panondrony. Zazalahy 22 taona mitondra ny anarana   Ramarozatovo Donnat, nonina eny Avaratsena Ambohidrapeto. Izay fomba naharendrika azy tany anaty rano tany tsy mbola fantatra. Ny fotoana nijanonany ihany koa tsy misy mahalala fa ilay razana efa natsingevan'ny rano no hitan'ny olona. Mahery dia mahery amin'izao fotoana izao ny rano noho ny rotsak'orana nisesisesy tamin'ny herinandro. Tsy azo atao vazivazy ny mandeha amin'ny moron-drano. Maro ny olona efa hita faty tany anatin'iny ranoben'Ikopa iny. Ao ireo nilalao rano fotsiny dia dobo tany. Ao ireo nisy nanipy tany anaty rano tany. Izay antony no tsy fantatra. Nisy koa aza moa jiolahy iray izay, nandositra rehefa nenjehin'ny mpitandro filaminana. Nanitsy tany anaty rano tany. Tsy afa-bela ilay izy fa dia maty an-drano tao. Ny fatiny no nalain'ny mpitandro filaminana avy eo.
r.s.


4396midi-mg-005136-7236-02092008 Miaramila sy pôlisy natolotra ny Fampanoavana
Miaramila sy pôlisy natolotra ny Fampanoavana


4396midi-mg-005137-7237-02092008 Mpirahavavy maty nofaohan'ny môtô
Lozam-pifamoivoizana.
Mpirahavavy maty nofaohan'ny môtô
Olona roa, mpirahavavy, no indray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teo amin'ny Avenue, teto Antsirabe omaly tolakandro. Tamin'ny fotoana naha voadona azy ireo, naratra mafy izy mianaka. Voa teny amin'ny lohany sy ny tongony. Nentina haingana notsaboina tany amin'ny hopitaly nefa tsy tana ny ainy na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo.
Araka ny fantatra dia fandehanana mafy no niteraka ny loza. Ireo mpampiasa iny lalana midadasika iny dia efa nahamarika fa tsy mandeha mora mihitsy ny môtô, na lehibe izany na ireny scooter ireny. Misy mihitsy aza ireo mifanenjika ka matahotra tsy misy ohatra an'izany ny olona, na ny mpamily fiara izany na ny olona miampita ny arabe. Voateny matetika anefa ity nanao loza ity. Omaly, nirimorimo avy any ny môtô Cross iray. Asa na tsy voafehy na ahoana ilay kodiaran-droa fa dia izao no niafarany, nandona olona nandeha teny amin'ny sisin-dalana, araka ny fitantaran'ireo izay nahita ny fisehoan'ny loza. Ireo mpirahavavy tsy nisy nanampo na inona na inona.
Maro ny loza nateraky ny môtô namoizana ain'olona, mpandeha an-tongotra na ilay mpitondra ny môtô mihitsy. Iaraha-mahita izany amin'ny lalana rehetra. Tsy vitsy ny mpamily fiara no lasa tezitezitra raha vao misy môtô mitsofotsofoka mainkavia, mainkavanana. Tonga ho azy ny loza amin'izay. Misy amin'izy ireny koa no tsy dia mahafehy tsara ny làlan'ny fifamoivoizana ka lasa manao ny tsy tokony hatao. Ny hafa anefa no milanja ny vokatr'izany. Angamba, farafaharatsiny, tokony hanana ny fahazoan-dalana hitondra fiara (permis) ny olona vao tokony hahazo hifamoivoy eny an-dalana eny.
Mikasika ilay zavatra niseho omaly, efa tazonina any amin'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao ilay môtô sy ny olona nitondra azy.
Lova


4396midi-mg-005138-7238-02092008 Maty nananton-tena ilay lehilahy
Maty nananton-tena ilay lehilahy
Maro ny resaky ny olona manodidina izao zavatra izao. Ao ireo nilaza fa ankevitry ny tsy te hilaza ny tena marina tamin'izao nahitana taolana tao an-tranony izao izy. Rehefa handeha lalin-dalina mantsy ny fanadihadiana dia hatahotra ny hilaza ny olona mety ho mpiray tsikombakombama aminy izy.
Efa tena leon'ny halatra taolam-paty ny mponina amin'ny faritra maro ka raha vao misy zavatra kely tsy mazava fotsiny dia miakatra ny hatezerany.
Mamy A.


4396midi-mg-005139-7239-02092008 Tratra ny lehiben'ny mpanao piraty
Tratra ny lehiben'ny mpanao piraty
Aina R.


4396midi-mg-005140-724-07012008 Harom-paosy hatrany am-piangonana
Harom-paosy hatrany am-piangonana
  Akory ny hatairan'ity lehilahy iray rehefa nivoaka avy ao amin'ny trano fivavahana izy fa tsy tao amin'ny paosy nasiany azy intsony ny telefaoniny. Tena nangotsoka tokoa izy satria fitaovana vao novidiny lafo dia lafo tamin'ny sabotsy io finday io. Niverina niditra haingana izy nefa teo anatrehan'ny hamaroan'ny olona tonga nivavaka, dia sahiran-tsaina ihany satria iza amin'ireo no hotondroina eo. Omaly alahady no niseho izany zavatra heverina fa tena manahirana ny saina sy tsy azo eritreretina izany tao amin'ny fiangonana iray lehibe eto an-drenivohitra. Namonjy fotoam-pivavahana vao maraina ity ranamana ity. Tomefy olona ilay trano fivavahana satria nisy fandraisana katekomenina tao. Tsy tsaroany mihitsy anefa na tamin'ny fotoana inona no nisy naka tao am-paosiny tao ilay telefaonina. Nifanisika izay tsy izy ireo mpiangona niaraka tamin'ny havana aman-tsakaiza. Nametraka ny fitarainany tany amin'ny mpitandro filaminana ilay voadona. Manahirana ihany tokoa anefa ny hanondro olona amin'ny zavatra sahala amin'izao. Tsy vao sambany koa anefa no nisy devoly tafiditra an-trano fivavahana fa raha ny vaovao re tetsy sy teroa, dia efa im-betsaka ihany. Misy ireo very poketra, ao ny very vola ary na ny baibolin'ny fiangonana aza misy maka. Tratra ihany ny olona nanao izany, fotoana tsy ela akory. Hay ilay izy namidiny teny amin'ny manodidina ilay trano fivavahana ihany. Nisy ramatoa izay ihany koa, sahirana nitondra ny zanany kely nandeha nivavaka ka tamin'ny fotoana nandehanana hanatitra ny rakitra teny amin'ny alitara, no navela teo ambony dabilio ny poketra. Rehefa tafaverina izy, akory ny hatairany fa tsy teo intsony ilay izy. Tsy maintsy nampitaina tamin'ny tomponandraikitra io fahaverezana io. Avy eo, nolazaina am-pahibemaso mba hampitandremana ny rehetra. Mahavariana tokoa izany zavatra izany. Ny sasany ve ho any an-trano fivavahana, hangalatra fotsiny.
r.s.
 
Lire aussi
Ikopa : Faty iray voasaringotry ny hazo natsingevan'ny rano


4406midi-mg-005151-725-07012008 Nanendaka tany amin'ny pavillon, tratra teny Antsahavola
SINTO-MAHERY. Toerana anjakan'ny endaka isan-karazany, efa hatramin'ny fotoana ela iny manodidina ny pavillon Analakely iny.
Nanendaka tany amin'ny pavillon, tratra teny Antsahavola
  Voasambotry ny mpitandro filaminana misahana ny fiambenana etsy Antsahavola ny bandy efa-dahy fantatra fa nanendaka olona taty amin'ny pavillon Analakely. Omaly alahady hariva tokony ho tamin'ny 5 ora tany no niseho ny fanendahana. Rehefa nanontaniana ireto bandy ireto dia nilaza fa vehivavy roa no lasibany tamin'izany. Vangovango volamena (gourmette) sy kavina no azon'ireto mpangalatra. Taitra ireo mpiambina nahita azy ireo nihazakazaka toa nandositra. Avy hatrany dia nasaina nijanona ry zalahy nefa mbola saika handositra ihany. Araka ny vaovao, nambanana basy voafahana mihitsy vao nijanona izy ireo. Ny iray aza saika hitraotra ihany. Tamin'ny fisavana natao ireto olona ireto no nahitana ireo firavaka volamena ireo. Fa ny nahavariana ireo mpitandro filaminana dia inty : niankanjo maro sosona ireto mpanendaka ireto. Ny dikan'izany, rehefa mandositra avy manao ny ataony izy ireny dia esoriny tsikelikely ireny fitafiana ireny. Farany, tsy fantatra intsony izy mifangaro amin'ny mpiantsena eny. Tamin'ny fanontaniana natao azy ireo koa no nahalalana fa olona efa nigadra avokoa ry zalahy ireo. Zendana ihany koa ireo nisambotra azy fa tsy nisy nanana karatra izy efa-dahy. Toerana fandalovan'ny mpangalatra avy aty Analakely iny Antsahavola iny ka izany no nahamahina ireo mpiambina. Mandositra miakatra ilay tohatohabato ambadiky ny banky izy ireo dia midina any Antsahavola. Tsy ny avy aty Analakely ihany anefa no mandalo ao fa ny avy any andrefana any koa. Efa maro ireo jiolahy tratra. Taona iray lasa izay, nisy bandy nanendaka vazaha dia nandositra ary nifanenjehana hatrany an'elakelatranon'Amboasarikely. Nahatratrarana basy tany amin'izy io. Ireo mpivarotra rongony koa dia tsy vitsy no efa nosamborina teny.
r.s.


4413midi-mg-005159-7258-03092008 Mitaky ny marina Rababany
Mitaky ny marina Rababany
 Mitaky ny hamoahana ny marina rehetra amin'ity raharaha ity aho , io no nambaran-dRababany raha nivoaka ny Fitsarana omaly maraina, tetsy Anosy. Omaly tokoa mantsy no fotoana voatondro hitsarana ny raharaha mahavoarohirohy an'ity polisy, sady tompondaka eran-tanin'ny Kickboxing ity, tamin'ilay fanafihana ny orinasa SEA REINE teny Talatamaty ny 30 oktobra 2006. Tsy tontosa hatramin'ny farany anefa izany fa noho ny fangatahan'ny mpangataka onitra mba handinihana ny antontan-taratasy dia nanapa-kevitra ny Fitsarana fa hahemotra ho amin'ny 16 septambra ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana.  Vao omaly (01 septambra) no niantso anay hiaro azy ny mpitory ka tsy mbola nanana fotoana handinihana ny antontan-taratasy izahay. Noho izany dia mangataka amin'ny Fitsarana ny hanemorana ny raharaha, hoy ny mpisolovavan'ny mpitory. Niova mpisolovava hafa indray mantsy izy ireo noho ny antony manokana. Tsy nanaiky avy hatrany anefa ny Fitsarana fa nihaino ny mpiaro ny voampanga. Efa iaraha-mahalala fa androany no hotsaraina ity raharaha ity ka izao ve ianareo vao miteny an'izany? Tokony mba ho samy miomana mialoha, hoy kosa ny valinten'in'ny ankilany.
In-droa nisintona
Taorian'ny fifandresen-dahatra teo amin'ny roa tonta dia nisintona ny Fitsarana ary nanapa-kevitra avy eo fa hahemotra amin'ny 11 ora ny fotoana. Tonga anefa ny tamin'ny 11 ora dia mbola tsy niova ny adihevitra fa io ihany. Nangataka ny hisintona fanindroany ny Fitsarana, ka taorian'izay dia nivoaka ny didy fa hahemotra ny 16 septambra ho avy izao ny Fitsarana ny raharaha. Niteraka fimenomenomana ho an'ireo mpanatrika izany, indrindra ny fianakavian'ny voampanga. Nisy mihitsy aza ny latsa-dranomaso noho ny alahelo be loatra. Olana ho an'ireo vavolombelona izay mipetraka any Antsiranana ihany koa ity fanemorana ny fotoam-pitsarana ity.
Aina R.


4413midi-mg-005160-7259-03092008 Mpianatra nisoloky
Toliara
Mpianatra nisoloky
Ny 30 aogositra teo dia tonga teny amin'ny Anjerimanontolo Maninday ny mpianatra iray avy ao amin'ny Sacré Coeur nilaza fa misy fiofanana sy fanentanana momba ny SIDA ataon'ny Pasitera iray any Mahajanga ka mila CV sy vola 2200 Ar ho fandraisana anjara. Miisa 150 ireo mpianatra roboka tamin'izany. Ny ampitso no fotoana tokony hiaingana saingy tsy raikitra. Nantsoina ny raiamandrenin'io zazavavy io saingy nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona. Nanaiky hamerina vola   200.000 Ar ny ray aman-dreniny, saingy tsy nanaiky indray ireo mpianatra fa tokony ho 200.000 Ar isaky ny mpianatra no aloany. Tsy voavaha ny olana ka nilaza fa hanatona ny Lehiben'ny faritra izy ireo.
Aina R.


4414midi-mg-005162-7260-03092008 Zandary maty nianjera tamin'ny môtô
Moramanga
Zandary maty nianjera tamin'ny môtô
Aina R.


4449midi-mg-005198-7295-04092008 Telo mianaka nisy nanafika tao anaty fiara
Ankasina
Telo mianaka nisy nanafika tao anaty fiara
Aina R.


4449midi-mg-005199-7296-04092008 Lehilahy iray nampidirina am-ponja
FANEVATEVANA. Ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy dia manameloka izay rehetra manevateva mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany
Lehilahy iray nampidirina am-ponja
Lehilahy iray no nampidirina am-ponja raha nanevateva sy nandrahona manamboninahitra zandary iray teny Ampasampito tamin'ny 24 aogositra 2008 lasa teo.
Raha tsahivina ny zavatra niseho dia toy izao. Nisy fiara Renault 4 roa nijanona teo Ambanitsena, lalam-pirenena faha-2, tamin'io daty voalaza etsy ambony io tamin'ny 4 ora sy 30 mn tolakandro izay ratsy fijanonana ka niteraka fitohanan'ny fiarakodia maro. Nandray andraikitra ity manamboninahitra zandary iray sendra nandalo, handeha hamita iraka aty an-drenivohitra. Notadiaviny ny mpamily ka nasainy nafindra ny fiara hahafahan'ny fiara hafa mifamezivezy. Nalefany tany amin'ireny zandary misahana ny fifamoivoizana ireny (Be môtô) izay niasa tao Ambatokely ny taratasin'ireo fiara noho izany fandikan-dalàna izany izay voatondro sy faizin'ny andininy R 46 sy R 275 ao amin'ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Tsy faly tamin'izany Rakotonindriana Jean Richard ; fianakavian'ireto mpamily ka nanenjika ny fiara nitondra ilay manamboninahitra izay marihina fa manao fanamiana ara-dalàna. Rehefa tratran'izy ireo teny Ampasampito dia notevatevainy sy nalany baraka teo imasom-bahoaka ary norahonany, sady nitonona ho mahalala olona ambony sy be galona ihany koa izy.
Teo anatrehan'izany fanevatevana sy fandrahonana mpitandro filaminana izany dia tsy nihaino na nitazam-potsiny ny lehibe isan'ambaratongany eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny. Natao ny famotorana ka ny 29 aogositra teo no   voasambotra ity nahavita heloka ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora rehefa nandalo Fampanoavana ary miandry ny fotoam-pitsarana azy izay hatao anio   4 septambra 2008 eny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy.
r.s.


4449midi-mg-005200-7297-04092008 Notsatohiny  tournevis  ny rafilahany
Fialonana.
Notsatohiny  tournevis  ny rafilahany
Rehefa niverina ilay sakaiza taloha dia gaga ihany. Asa aloha raha nisy fifandonana sy fifamaliana teo amin'ireto lehilahy roa ireto na ahoana fa dia izao niafara tamin'ny fanindronana tournevis izao.


4449midi-mg-005201-7298-04092008 Taolam-paty 3 gony
Fénérive-Est
Taolam-paty 3 gony
Ny 02 aogositra lasa teo, tao Anjahabe - Ampasimbe, Fenerive Atsinanana dia niantso an-tariby ny zandary ny Ben'ny Tananan' Ampasimbe Manantsatrana, nilaza fa nahita taolam-paty 3 gony ny fokonolona tao amin'io toerana io. Saika taolan-dava avokoa no tao anatin'ilay gony. Tsy nisy olona tratra ambodiomby na ahiahiana hatramin'izao. Nidina tany an-toerana ny zandary hanao fizahana sy fikarohana ny olo-meloka. Ny zandary avy ao amin'ny   Borigadin'i Fenerive Est no nandray an-tanana ny famotorana.
r.s


4449midi-mg-005202-7299-04092008 Faty mihosin-drà sy feno dian'antsy
Faty mihosin-drà sy feno dian'antsy
Aina R.
Fénérive-Est : Taolam-paty 3 gony


4477midi-mg-005232-7327-05092008 Maty nianjera avy eny amin'ny 15 metatra
AMPAMARINANA. Loza namoizana ain'olona no nitranga teny omaly raha ny famarinana ny Kristiana tamin'ny andron'ny faha-mpanjaka no nahafantarana azy.
Maty nianjera avy eny amin'ny 15 metatra
Nitrangana loza namoizana ain'olona omaly teny Ampamarinana - Tsimialonjafy. Tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany teo no nitranga ny loza ka vehivavy iray 23 taona no maty nibolisatra ka nianjera hatrany amin'ny 15 metatra. Vokatry ny fianjerany mafy sy ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Eny Ampamarinana, akaikin'ilay soratra ngezabe hoe ANTANANARIVO izay tazana avy ety ambany io no niseho ny loza. Misy toerana misy rano mivoaka avy any anaty vato izay eo ka nanasa lamba teo ity ramatoa ity. Niaraka teo izy mivady ary sendra nandeha kely niala teo rangahy no nahare feo nidoboka mafy be. Rehefa nozahany hay ny vadiny no nibolisatra noho ny lomotra ka nianjera tany amin'ny 15 metatra tany ambany.
Manambady saingy tsy mbola niteraka ity vehivavy niharan-doza ity. Monina eny an-toerana ihany ry zareo ary efa toerana fanasany lamba eo. Nalefa teny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana nanaovana fizahana mialoha ny nanolorana azy ny fianakaviany.
Raha toerana famarinana ireo Kristiana tamin'ny andron'ny faha-mpanjaka no nahafantarana an'Ampamarinana hatrizay, dia loza namoizana ain'olona kosa no nitranga teny omaly. Efa ela no tsy dia naharenesana zavatra tahaka izao teny amin'ny manodidina teny, araka ny nambaran'ny mponina eny an-toerana. Efa saika vita tsara avokoa mantsy ny tohatoha-bato eny ary efa mihavitsy ihany koa ny mpanasa lamba eny.



4478midi-mg-005234-7329-05092008 Olona telo no maty
Kamiao nirehitra
Olona telo no maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin'ny lalam-pirenena faha-44, teo amin'ny PK8 miala an'i Moramanga, ny alin'ny alarobia teo. Nifandona tamin'ny kamiao nipetraka an-tsisin-dalana ny kamiao iray mpitondra hazo. Nirehitra vokatr'izany ilay fiarabe nandona. Niala tao amin'ny maoterany ny afo ary vetivety foana dia nahazo ny lohany iray manontolo. Nitera-doza izany. Olona telo no indray maty kila tao. Ilay olona fahefatra tao anatin'io kamiao io kosa mba nahavita nanavotra ny ainy. Saingy na izany aza dia naratra mafy ihany koa izy ary mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly. Nisy fiara 4X4 nanaraka an'io kamiao io tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Tsy tafavily ihany koa io rehefa nifandona ireo fiara teo anoloany. Vokatr'izany dia nifanehatra tamin'ilay kamiao ilay 4X4. Izany hoe, fiara efatra no indray simba tao anatin'ity lozam-pifamoivoizana ity. 
D.R 


4478midi-mg-005235-7330-05092008 NULL
TAPATAPANY
 - Ambatomirahavavy. Mpanao vola sandoka. Roalahy nandeha fiara karetsaka no nosakanan'ny zandary nanao barazy. Nilaza ny mpamily fa tsy mazavazava izy roalahy ireo, rehefa nosavaina izy ireo dia nahitana : taratasy miloko mainty fanaovana vola sandoka (raha vita ireo dia mitentina hatrany amin'ny 16.000.000 Ar), ranon-javatra amina tavohangy mifono plâtre, fera hipasohana ny vola, scotch, vovon-dandihazo maromaro, fonon-tanana fotsy ary ruban. Nisy naman'izy ireo roalahy ihany koa notadiavina ka voasambotra. Nentina teny amin'ny fitsarana ka naiditra any am-ponja ny roa.
 - Ambato Boeny. Zaza valo taona matin'ny fiara. Loza niseho ny 30 aogositra teo, tamin'ny RN4 PK 430+341 tao amin'ny tanàna atao hoe Ambohimanalina, Fokontany Andranomandevy-Tsaramandroso. Fiara vaventy mitarika mercedes Benz avy aty Antananarivo no nifanena tamina Minibus avy any Mahajanga ka nifaoka ilay zazalahy kely 8 taona.
 - Ambohidratrimo. Lehilahy maty nidina am-pandehanana. Loza niseho ny 02 aogositra teo, tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka fahefany hariva, teo amin'ny RN4 PK 16+400, amin'ny toerana antsoina hoe Andranomenabe akaikin'ny VITOGAZ Anosiala. Nidina am-pandehanana ny lehilahy lehibe 68 taona. Naratra mafy tamin'ny fianjerana izy ka nentina teny amin'ny hopitalin'Alakamisy, ary nafindra teny amin'ny HJRA avy eo. Maty ilay niharam-boina, ka izay vao nampandre ny zandary tao Ambohidratrimo ny mpamily sy ny mpanampy azy.
Nangonin'i r.s./Aina R. 


4494midi-mg-005253-7350-06092008 Toujours Hanimpitoloha , Histoire et Traditions
Toujours Hanimpitoloha , Histoire et Traditions
Culture 

4498midi-mg-005258-7355-06092008 Mitohy ny fisamborana vahiny
Mitohy ny fisamborana vahiny


4498midi-mg-005259-7356-06092008 Nopotsirina ny masony dia maty
Nopotsirina ny masony dia maty
Nofatoran'ny olona ity lehilahy iray voatondro ho nangalatra kisoa miisa telo. Rehefa izany dia niharan'ny vono teo izy. Farany, nopotsirin'ny tompon'ireo kisoa tamin'ny fanondrony ny masaon'ilay olona ary tena potika mihitsy. Izany rehetra izany no nitarika ny fahafatesany.
Mamy Augustin.


4498midi-mg-005260-7357-06092008 Mpivarotra omby voaroba tao angabone
Asan-jiolahy
Mpivarotra omby voaroba tao angabone
Tamin'ny alakamisy hariva tokony ho tamin'ny 8 ora alina, raha mbola tao angabone ny lehilahy iray dia nosintonin'ny jiolahy maromaro hivoaka teny ivelany. Nambanan'ireo olon-dratsy tamin'ny basy izy avy eo, notifirina  big boss ny masony. Notsindronina zavatra mandeha amin'ny herinaratra ny valahany. Rehefa izany, nalain-dry zalahy ny volabe vidin'omby 23 tanaty kitapo tany aminy. Tena betsaka tokoa ny vola very satria any amin'ny Ar 400 000 any ny vidan'omby lehibe iray.
Mpivarotra omby ambongadiny no asan'ity olona ity. Tamin'ny alakamisy, raha avy nitaky vola vidin'omby teny Anosibe sy Analakely izy, araka ny vaovao nampitain'ny fianakaviana taty amin'ny gazety. Rehefa azo ny vola dia nandeha nody teny Tsararay Itaosy tsy lavitra ny hopitaly. Tsy tonga dia niditra tany an-trano anefa rangahy fa mbola nandeha tany amin'ny trano fivoahana. Ankevitry ny efa nandrasan'ireo olon-dratsy na narahany avy ato aoriana. Ary dia tamin'io fotoana io no namelezany azy.
Na dia efa voa mafy aza anefa ity lehilahy ity dia mbola afaka nanenjika ireo mpanendaka sy niantso ny zanany lahy. Tsy lasa lavitra anefa izy dia torana noho ilay tsindrona tao amin'ny valahany, araka ny filazan'ny zanany. Nanampy trotraka koa ilay tifitra big boss teo amin'ny masony.
Nentina haingana tany amin'ny hopitaly Itaosy izay tsy dia lavitra loatra ny fonenany ilay mpivarotra omby notsaboina. Araka ny filazan'ny zanany ihany, omaly efa   ho tolakandro vao afaka nisokatra ny masony.
r.s.
 
Lire aussi
 
Taratasy tsy ara-dalàna : Mitohy ny fisamborana vahiny


4499midi-mg-005262-7359-09092008 Une grosse lacune en matière de comptabilité
Une grosse lacune en matière de comptabilité
 
Economie 

4525midi-mg-005290-7385-08092008 Niala nokaikerin'ny mpivarotena ny sofiny
TSIMBAZAZA. Tsy naloany ny volan'ilay vehivavy. Raikitra ny fifampikasihan-tanana. 
Niala nokaikerin'ny mpivarotena ny sofiny
Niporitsaka ny rà ary tsy ela ihany koa dia nitangorona ny olona tetsy Tsimbazaza. Niala tanteraka hatrany amin'ny fotony ny sofin'ilay mpitandro ny filaminana. Toa izao ny zava-nitranga: roalahy izy no niaraka ny alin'ny alatsinainy lasa teo. Nisotrosotro teny amin'ny bar aloha. Rehefa mamomamo dia nanita-kevitra ny hiakatra eny Analakely. Niitatra hatrany izany ary tonga hatrany amin'ny fangalana mpivarotena mba entina mody etsy Tsimbazaza. Nifanaraka ireo fa 30.000 Ar isan'olona no aloa dia matory miaraka aminy ilay vehivavy. Nony tonga teny an-trano anefa dia nivadika ny rasa. Nanomboka nisy tabatabata be tamin'ny roa ora sy sasany maraina. Tsy nety nandoa ny volan'iilay mpivarotena mantsy izy roa lahy.
Korontana
Nivazavaza eran'ny trano ilay mpivarotena. Niakatra ihany ny hatezerana ka re hatraty ivelany ny korontana. Nihatonga tsikelikely teo an-tokontany ny olona raha nandre izany. Raha ny fantatra dia raikitra ny fifampikasihan-tanana tao anatiny tao. Namely ireo lehilahy ary nanao izay ho afany koa ravehivavy tamin'ny famaliana. Nisy fotoana voatazon'ilay mpitandro ny filaminana izy ka tsy afa-nihetsika intsony. Saingy tsy nanaiky mora foana izy fa niezaka niaro tena hatrany. Ny vavany indray teo no nampiasainy : nokaikeriny ny sofin'ilay mpitandro filaminana. Ary tena niala tanteraka ! Tamin'ny efatra ora sy sasany maraina ilay lehilahy no nivoaka ny trano. Hitan'ny olona marobe izany tranga izany. Mbola teny an-tanany mantsy ny ...sofiny.
D.R 


4525midi-mg-005291-7386-08092008 Tapatapany
Tapatapany
 Afakomaly alina tao anatihazo Isotry, lehilahy iray 26 taona no nananton-tena avy eo am-baravarankely. Omaly maraina io vao hitan'ny olona. Araka ny filazan'ny olona, dia noho ny hakiviana no nitarika azy hamoy fo. Nisy koa ny nanambara fa mety ho ny fidiran'ny zanany hopitaly no nahatonga izany. Raha ny re mantsy dia hoe tsy nisy nanampy mihitsy izy ary tsy mba nisy nanotrona ihany koa fa tena niady irery.
 Nahafatesana olona indray teny amin'ny lalam-pirenena fahafito. Ny zoma maraina lasa teo dia nisy fiara Renault 11 nifaoka mpitondra sarety. Maty tsy tsa-drano io farany.
 Teny Imerimandroso Anjomakely ny sabotsy lasa teo. Lehilahy mpamaky vato iray no maty nianjeran'ny tany. Raha ny filazan'ny olona dia hoe nisy horohoron-tany teny amin'iny manodidina iny ny omalin'io loza io. Izany hoe raha araka ny hevitr'ireo dia noho io fihovitry ny tany io no nitarika ny loza.
D.R 


4525midi-mg-005292-7387-08092008 Tapa-doha sy filahiana
Sambava
Tapa-doha sy filahiana
Nikirozaroza sisa ny lohany ary tsy teo intsony ny filahiany. Ny zoma teo no nahitana ity fatin-jazalahy 15 taona ity, tao Ambodiala, tsy dia lavitra loatra an'i Bemanevika-Sambava. Ny alakamisy teo io zaza io no nanomboka tsy hita. Nirahin'ny dadatoany, izay nipetrahany nandritra ny vakansy, hamatotra omby no nialany farany dia tany izy dia nanjavona. Nandeha ny fikarohan'ny zandary ary ny ampitson'iny vao hita ny fatiny izay nafenina tanaty lobolobo. Tsy nisy filahiana ary tapa-doha. Mpianatra tao amin'ny CEG Marojala izy io. Nandeha nanao vakansy tany amin'ny havany tao Bemanevoka izy no izao niharan'ny habibian'ny sasany izao. Omaly no notontosaina ny fandevenana azy ary omaly ihany koa dia nandeha be ny feo tao an-toerana fa nitsoaka ireo fianakaviana nipetrahany nandritra ny vakansy. Rehefa nohamarinina anefa dia tsy mitombina velively izany fa tsaho naely fotsiny ihany.
Rémi R/M.Augustin 


4525midi-mg-005293-7388-08092008 Misahotaka i Mananjary sy ny manodidina
BIBIOLONA ? Ny tapany biby ary ny tapany olona, jiromanga no iantsoan'ny olona azy. Manakorontana ny fiainan'ny olona izy ary tsy fantatra mazava ny fisiany.
Misahotaka i Mananjary sy ny manodidina
Jiromanga no fahalalan'ny olona azy. Mandeha be ny feo amin'izao fotoana momba azy io ary hita fa tena misahotaka i Mananjary sy ny manodidina. Ny tapany biby ary ny tapany olona, araka ny filazan'ny mponina any an-toerana. Nisy ihany koa ireo izay nilaza ho efa nifanena taminy dia nitantara fa mamoaka taratra mena sy fotsy ary mavo sy manga ny masony. Ny alin'ny alarobia 3 septambra teo dia nokotabainy tanteraka ny tanànan'Ambalaromba, kaominina iray miala 20 kilaometatra an'i Mananjary. Afakomaly alina indray, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana, dia nisy tovovavy nifanehatra taminy. Tsy novonoiny io fa naolany, raha araka ny vaovao hatrany. Vokatr'izany dia tsy mbola mahatsiaro tena io tovovavy io hatramin'izao. Tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Antsaravary no nitrangan'izany. Fa iza marina moa i jiromanga? Raha ny feo mandeha dia nentina rangahy iray avy any Tsiroanomandidy io bibiolona io.
Miparitaka
Noho izy manana hery, raha tena mitombina tokoa izany, dia nataony ho afaka manao fanakonana na masobe tsy mahita ilay rangahy. Ho takalon'izany dia nampanantena rangahy fa homeny an'io biby io ny vadiny rehefa tonga any an-tanàna. Saingy nivadika tamin'ny fifanarahana izy rehefa tonga tany. Nahatezitra an'i jiromanga izany toe-javatra izany, araka ny fitantaran'ny maro ihany. Dia io no heverina fa antony nahatonga azy higafy sy hanakorontana ny tanàna. Hatreto aloha dia ny vehivavy no tena ataony lasibatra. Tsy vonoiny fa aolany, araka ny vaovao miparitaka ao an-toerana. Vaovao izay miely hatraiza hatraiza ao amin'ny manodidina an'i Mananjary. Tsy misy afats'io no resaky ny olona ao an-tanàna amin'izao fotoana. Efa nisy toe-javatra toy izao tamin'ny volana aprily lasa teo. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe entina hanakorontanana saim-bahoaka ve ity jiromanga ity sa kosa tena zava-misy saingy tsy takatra eritreretina?
HAR 
Lire aussi - Tapatapany - Sambava : Tapa-doha sy filahiana 


4531midi-mg-005303-740-08012008 Mpiambina ny Filoha voarohirohy
Mpiambina ny Filoha voarohirohy
  Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ao amin'ny Fampanoavana ireo roalahy voarohirohy tamin'ny vonoan'olona teny Mandrimena. Voampanga ho nandratra sy namono olona izy ireo amin'izany. Toy izao ny fandehan'ny tantara: raha mbola samy niomana ho amin'ny fetin'ny faran'ny taona iny ny rehetra, ireo miaramila roalahy, izay miasa eny Iavoloha kosa nanakorontana teny Mandrimena (toerana izay nitsoahan-dry Dorika sy Kouakou). Tao anatin'izany korontana izany dia nodarodarohin'izy roalahy ny tovolahy iray. Tsy mbola fantatra mazava tsara ny anton'izany. Tsy nijanona izy ireo raha tsy efa tsy nahatsiaro tena intsony ilay tovolahy. Ny olona teo amin'ny manodidina avy eo no nitondra azy teny amin'ny toeram-pitsaboana teo akaiky. Noho ny ratra mafy nahazo azy anefa dia tsy maintsy nalefa notsaboina teny amin'ny HJRA izy.
  Nihoson-drà  
Efatra andro taty aoriana, nodimandry ilay tovolahy naratra. Manaporofo izany fa mafy tokoa ny vono nataon'iretsy miaramila azy.  Nihoson-drà tanteraka izy, ary hita ho tena reraka. Nahenoana fofona alikaola koa ny tenany nefa izy tsy nisotro , araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso. Taorian'ny fandalovany teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana dia notazonina vonjimaika any amin'ny fonjan'Antanimora izy roalahy mandram-piandry ny fotoam-pitsarana. Raha vao tsy ela akory izay no nisamborana ireo miaramila telolahy miasa ao Ambotsirohitra noho ny resaka fanendahana, dia izao misy miaramila hafa voarohirohy amina resaka vonoan'olona izao indray. Toe-javatra izay tokony handraisan'ny tomponandraikitra fanapahan-kevitra henjana amin'ny fifehezana ny miaramila.
D.R


4536midi-mg-005309-7406-09092008 Quid des normes phytosanitaires
Quid des normes phytosanitaires
 
Economie 

4539midi-mg-005313-741-08012008 Vaky trano sy endaka mpitarika posy
Antsirabe.
Vaky trano sy endaka mpitarika posy
  Tamin'ny faran'ny heriandro lasa iny dia niseho lany indray ny asan-jiolahy teto Antsirabé. Trano telo no novakian-dry zalahy ary mpitarika posy iray no voaendaka. Jiolahy iray kosa no tratran'ny olona ka niharan'ny hatezeram-bahoaka teo. Efa teny voa mafy mihitsy vao naterina tany amin'ny mpitandro filaminana. Tamin'ny zoma hifoha sabotsy avokoa no nisehoan'ireo fandrombana ireo. Teny Ambavahadimangatsiaka, tokony ho tany amin'ny 1 ora maraina dia niditra tao amin'ny tanana iray ny jiolahy miisa roa. Hitan'ny mpiambina izany koa dia niala mora izy ireo. Tsy nijanona teo anefa, fa rehefa tonga ny tamin'ny telo ora, io alina io ihany, indreny fa nanao tapaody fohy ireo mpangalatra. Efa tafiditra izy ireo vao henon'ny mpiambina. Tsy nanaiky lembenana ity farany na dia nanaovan'ireo bandy angaredona aza. Sady niaro ny tenany izy no namikitra tamin'ny iray amin'ireo olon-dratsy. Niantso vonjeo izy avy eo ka taitra ny tompon-trano sy ny manodidina. Raha nahare izany ny iray tamin'ireo jiolahy dia nirifatra nandositra. Ilay voatanan'ny mpiambina tsy afaka koa dia io no namaharan'ny olona. Niharan'ny daroka isan-karazany teo ilay izy. Rehefa izany dia naterina tany amin'ny mpitandro filaminana.
Vaky trano  
Fa mbola tamin'io alina io ihany teny Ambohimiandrisoa Avaratsena dia trano roa be izao no vaky. Ny voalohany dia an'ny Chef quartier. Ny lakozia no lasibatra ka nentin'ireo mpangalatra avokoa ny fitaovana rehetra tao hatramin'ny saribao. Asa na io andiany io ihany no namely fitotoam-bary tsy lavitra teo. Ireo fotsimbary tao anaty kitapo no lasa. Marina fa samy mihidy cadenas avy aty ivelany ireo trano vaky ireo. Notapahin-dry zalahy tamin'ny fitaovana efa nentiny izany dia niditra izy ireo.  
Endaka
  Ny harivan'ny zoma ihany, tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany, mpitarika posy iray indray no voaendaka. Lasan'ireo olon-dratsy avokoa ny vola tany aminy sy ny entana kely izay nokasaina enti-mody. Teny Andranomafana no niseho ity endaka ity. Roalahy no nanakana ilay posy. Teny an-dalana dia nanontanian'izy ireo raha misy madinika Ar.10 000 tany amin'ilay mpitondra posy. Namaly tsy nisy ahiahy io hoe eny. Rehefa tonga tamin'ny teorana mangina dia mody nasain'ireo jiolahy nijanona kely. Raha vao tafidina anefa izy ireo dia antsy roa be izao no indray natsatony teo amin'ny kibon'ilay rangahy mpikarama. Nanaraka izany ny fampitahorana raha tsy manome ny vola. Hany hery, nomena azy izany.
Lova


4550midi-mg-005325-7421-09092008 Trano fonenana 192 kilan'ny afo
Trano fonenana 192 kilan'ny afo
  Hain-trano indroa miantaona no niseho teto amintsika omaly. Ny iray tetsy Antohomadinika fokontany 3G Hangar, ny faharoa tany amin'ny distrikan'i Manakara. Trano miisa hatrany amin'ny 192 no kilan'ny afo. Maro araka izany ireo fianakaviana traboina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nisy ihany ny naratra vokatry ny fikoropahana tamin'ny famoahana ny entana nefa tsy dia naninona loatra izy ireny. Ny tetsy amin'ny 3G hangar dia tamin'ny 4 ora sy sasany tolakandro tany no nanomboka nirehitra ny trano fivarotana mofo sy kafe iray. Araka ny vaovao re teny an-toerana, dia tao no niandohan'ny fahamaizana. Hatramin'izao aloha, tsy fantatra marina ny nahatonga izany. Vetivety foana dia nihanaka tamin'ireo trano hazo manodidina ny afo. Nanampy ny fokonolona tamin'ny famonoana ny afo ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Fianakaviana eo amin'ny 50 eo no rava fananana indrindra ireo izay nandeha niasa tany ivelany. Potika tanteraka ny entana rehetra tao an-trano.   
Manakara  
Omaly ihany, ravan'ny afo tanteraka ny tanàna iray antsoina hoe Vohibazimba fokontany Lokomby any Manakara. Tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro, trano iray no nirehitra. Nahery fitsoka ny rivotra ka tsy naharitra ela dia potika ny trano miisa 162. Tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra. Samy mbola variana tany an-tsaha avokoa ny mponina tao amin'ireo trano may ireo ka tsy afaka namonjy mihitsy fa dia nitazam-potsiny ny fahavoazana. Olona iray manan-kilema no naratra. Tsy mba afaka nitsoka haingana izy ka izany no nahavoa azy. Vao manomboka ny fotoanan'ny main-tany dia miseho sahady ny fahamaizana etsy sy eroa. Tamin'ny faran'ny herinandro, dia trano 600 no potiky ny afo tany Toamasina. Ny vaovao voaray tamin'ireo toerana telo samy hafa ireo no nahalalana fa vokatry ny tsy fitandremana avokoa no nahatonga ny loza.
r.s.  


4550midi-mg-005326-7422-09092008 Nahafaty olona indray ny tetezana
Nahafaty olona indray ny tetezana
Olona roa namoy ny ainy, dimy hafa kosa naratra. Izany no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ambohimandroso (Antsirabe) ny faran'ny herinandro teo. Voatonona indray tamin'ity loza ity ilay tetezana mivoaka ny tanàna izay voalaza fa misy lolo. Loza roa samy hafa no niseho, ary tsy dia mifanalavitra ny toerana nisehoany. Ny voalohany dia niseho ny alin'ny alahady alina lasa teo. Fiara Peugeot 306 nitondra olona efatra no niharan-doza raha hiditra ny tetezan'Ambohimandroso (PK 84). Tsy tafiditra tao anatin'ilay tetezana io fiara io fa nivarina tany anaty rano. Araka ny nambaran'ny vavolombelona dia taratry ny jiroben'ilay fiara nifanena taminy ilay mpamily ka tsy nahita lalana ary izao latsaka tany ambany tetezana izao. Vao avy nisakafo tamina hotely tsy dia lavitra akory ny toerana nisehoan'ny loza ireto olona ireto, ary nitodi-doha ho aty an-drenivohitra kanjo izao niharan-doza izao. Fianakaviana avy namonjy lanonana tany Antsoatany izy ireto. Maty tsy tra-drano ilay mpamily. Ireo mpandeha hafa kosa nalefa notsaboina any amin'ny hopitalin'Ambatolampy.  
Nandositra  
Tsy lavitra ilay tetezana malaza dia mbola nisehoana loza hafa ihany koa. Teo Hazolava (PK83), ny alin'ny zoma teo. Fiara Renault 11 no nandona sarety. Vokany, maty ilay mpitondra sarety, naratra mafy kosa ilay namany. Tsy nijanona anefa ity fiara nahafaty olona ity fa nitsoaka nandositra ary mbola karohin'ny zandary hatramin'izao. Malaza ho misy lolo io tetezan'Ambohimandroso io. Betsaka ny efa namoy ny ainy tao. Ilay tetezana rahateo tsy misy takelaka ahafantarana azy mihitsy ka raha tsy mahay lalana na mitandrina tsara dia mety hidiran-doza. Nesorina ihany koa izao ny casseur de vitesse teo satria mandalo matetika eo ny manam-pahefana ka tsy te ho voaelingelina ka vao mainka mampidi-doza ilay tetezana.
Aina R.  


4552midi-mg-005329-7425-09092008 Miaramila nahafaty olona tamin'ny  Kalachnikov 
ANKAZOBE. Nampitahoriny tamin'ny basy ilay rangahy kanjo nipoaka tampoka ilay izy. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana.
Miaramila nahafaty olona tamin'ny  Kalachnikov 
Loza niseho tany Ankazobe, tamin'ny tanàna iray atao hoe Tsaramandroso ny tolakandron'ny alahady teo. Miaramila iray miasa amin'ireny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) ireny no nahafaty olona tamin'ny basy Kalachnikov. Toy izao ny fisehony. Samy tafaraka tao amina lanonan'ny famadihana iray tao amin'ity tanànan'i Tsaramandroso ity ilay miaramila sy ilay voatifitra. Tokony ho tamin'ny telo ora tolak'andro teo, nanomboka niakatra ny herin'ny toaka ka raikitra ny fifamaliana. Nila vaniny tamin'izay rehetra sendra azy ilay miaramila. Izy rahateo moa manana basy no sady manao fanamiana ka atahoran'ny rehetra any ambanivohitra. Nampitahoriny tamin'ny basy ity raim-pianakaviana nifamaly taminy.  
Nipoaka  
Tsy tapitapitr'izay anefa nipoaka tampoka ilay basy. Voa ilay olona nifanatrika taminy (raim-pianakaviana manodidina ny 50 taona eo) ary maty teo noho eo. Nisavoritaka ny iray tanàna raha nahare ny poa-basy sy nahita ny faty nitsirara tamin'ny tany. Ny sasany namonjy ny ainy, ny hafa kosa nampandre ny zandary. Somary lavitra avy eo anefa vao misy tobin'ny zandary ka tsy tratra ny harivan'iny ilay miaramila. Efa nampandrenesina ity loza ity avokoa ny manam-pahefana any an-toerana ka efa samy nandray ny andraikiny tandrify azy avy. Ny zandary any an-toerana no misahana ny famotorana sy ny fisamborana ilay miaramila. Ny razana kosa taorian'ny fizahana natao azy dia natolotra ny fianakaviany izay monina tsy lavitra eny ihany. Tsy mba mampandry tany fa toa lasa mpampihorohoro ny vahoaka any ambanivohitra indray itony miaramila itony raha izao ny fisehony, satria tsy vao izao no nisian'ny miaramila nahafaty olona noho ny hamamoana.
Aina R.      
Lire aussi
 Coup d'Etat  : Le procès retardé !   
Ambohimandroso : Nahafaty olona indray ny tetezana
Hain-trano : Trano fonenana 192 kilan'ny afo


4555midi-mg-005334-7431-10092008 Ben'ny tanana voatafika, lasa ny vola
Antsirabe.
Ben'ny tanana voatafika, lasa ny vola
Tamin'ny alahady lasa teo, tokony ho tany amin'ny 11 ora alina, notafihin'ny sasany ny tranon'ny ben'ny tanana tao Sahanivotry Tsarahonenana, any Antsirabe. Lasan-dry zalahy tamin'izany ny vola tao an-trano mitentina 3 tapitrisa ariary. Naratra mafy ihany koa ny mpiambina sy ny zanak'ilay olona. Mbola tsaboina any amin'ny hopitaly izy roa ireo amin'izao fotoan izao.
Tamin'io ora voalaza etsy ambony io, enin-dahy nitondra antsy lava sy vy maranitra no nibosesika niditra ny trano. Ilay mpiambina aloha no voavely voalohany ka vaky ny lohany. Avy eo, asa izay niseho fa voadaroka ihany koa ny zanak'Ingahy maire.tapaka ny tanany vokatry ny kapoka nahazo azy.
Rehefa azon-dry zalahy ny vola dia lasa nandeha izy ireo. Talohan'izany anefa, nopotehin'izy ireo ny fiara.Heverina ho  tsy afaka hanenjika azy ny tompon-trano amin'izay. Nampilazana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Natao ny fanadihadiana ka fantatra tamin'izany fa olona eo an-tanana ihany ny ankamaroan'ireo jiolahy. Ireo naratra ihany koa nahatsikaritra fa tsy olona fantatr'izy ireo ihany no nidaroka azy. Efa misy ny fisamborana natao amin'izao fotoana izao.
Lova
 
 


4555midi-mg-005335-7432-10092008 Namono tena ilay rangahy fa simba ny ody
Namono tena ilay rangahy fa simba ny ody


4555midi-mg-005336-7433-10092008 Sinoa nisy nanafika, lasa ny 25 tapitrisa
Sinoa nisy nanafika, lasa ny 25 tapitrisa


4555midi-mg-005337-7434-10092008  Notifirina tamin'ny tsy antony ny zanakay 
Soavinandriana
 Notifirina tamin'ny tsy antony ny zanakay 
Ny iray maty, ny roa notazonin'ny zandary ary ny iray hafa kosa mbola manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra. Ny zava-nisy, ny alarobia 02 septambra manodidina ny tamin'ny dimy ora sy sasany, tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Ambarahina, ao amin'ny distrikan'i Soavinandriana Itasy, dia nisy fiara 4X4 iray somary niafinafina tanaty lobolobo. Raha nandalo teo ireo efa-dahy nitondra bisikileta dia avy hatrany dia norarafan'ireo olona tao anatiny, izay tsy iza fa ny zandary, tamin'ny basy. Lavo teo ny iray fa ny roa hafa kosa mba tafatsoaka nampandre ny fokonolona tao amin'ny tanàna antsoina hoe Mananasy. Ny iray farany niafina tao anaty lalan-drano mba hanavotana ny ainy raha araka ny fanazavan- dRalaiarinosy, havan'ny maty. Tonga tao Mananasy ihany koa ireo mpitandro ny filaminana nony avy eo ary nilaza tamin'ny vahoaka fa misy dahalo maty voatifitr'izy ireo. Raha nahita ireo roalahy ireo farany dia avy hatrany dia nisambotra ihany koa. Nofatorana rojo vy izy roa dia naiditra tao anaty fiara hoy ihany ny fitantaran-dRalairainosy. Notohizany fa tsy mba nisy fanazavana na porofo akory ny amin'ny maha dahalo ireo zanakay fa dia novonovonoina foana toy ny biby. Niakatra teto an-drenivohitra moa ireo fianakavian'ny maty mba hametraka fitoriana eo anivon'ny Zandarimaria sy ny Fitsarana. Raha ny filazan'ireo dia tonga hatreny Mahazoarivo ihany koa izany fitarainana izany.
D.R
 


4587midi-mg-005370-7467-11092008 Novonoina tamin'ny famaky
Vonoan'olona
Novonoina tamin'ny famaky
Niady tao anaty trano kely fialofan'ny mpanao biriky ny olona roa. Ny famaky teny aminy no namonoan'ilay iray ilay nifanandrina taminy. Tamin'ny volana jona 2007 no niseho ity zavatra ity teny Ambohitrimanjaka. Roa lahy no voampanga tamin'izany vonoan'olona izany. Omaly no niakatra fitsarana teny Anosy izy ireo ka voaheloka 20 taona hanao asa an-terivozona ilay nahafaty. Ilay namany kosa afaka noho ny fisalasalana.
Re teny amin'ny fitsarana fa rehefa maty ilay tovolahy dia natsipy teny amin'ny ranon'i Sisaony ny razana. Nisy nahita anefa izany ka tratra izy ireo.



4587midi-mg-005371-7468-11092008 Mamo very 5 tapitrisa
67 Ha
Mamo very 5 tapitrisa
Ralehilahy resin-tory, nanjavona ny vola 5 tapitrisa. Tantara niseho tetsy amin'ny Cité 67 Ha ny alin'ny alatsinainy lasa teo. Samy tsy nisy nanaiky ny roa tonta ka nifampitory teny amin'ny Tribonaly.
Ny alin'ny alatsinainy teo, rehefa avy nisotrosotro ity lehilahy iray dia naka mpivarotena hiaraka hatory aminy. Raikitra ny adivarotra ka nandeha naka hotely teny amin'ny manodidina teny ihany. Teny an-dalana hamonjy hotely anefa dia mbola nisotro labiera roa izy roa. Mamon'iny ilay lehilahy ka resin-tory rehefa tonga tany amin'ilay hotely. Rehefa nifoha anefa izy dia tsy tao am-paosiny intsony ny vola 5 tapitrisa. Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy izy noho izany.
Samy manana ny filazany ny roa tonta. Ilay lehilahy milaza fa noteren'ilay mpivarotena hisotro ireo labiera roa izy ary rehefa resin-tory dia nalainy ny vola. Ilay vehivavy kosa mitsipaka izany ary nilaza fa olon-dehibe tsy afaka hoterena hisotro zavatra tsy tiany, ary nanao firaisana izy roa ka rehefa vita izay natao dia tsy nety nandoa vola ralehilahy fa ilay mpivarotena indray no nolazainy fa nangalatra ny volany.
Nanapa-kevitra ny Fampanoavana fa homena fahafahana vonjimaika ilay tovovavy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.



4587midi-mg-005372-7469-11092008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Ivato Aéroport. Fatin-dehilahy mihosin-drà. Nahitana fatin-dehilahy tao Andraondrikely, Kaominina Ivato-Aéroport, afakomaly. Antsoina hoe Poon izy io, 26 taona ary mipetraka eny amin'ny manodidina eny ihany. Araka ny fizahana nataon'ny dokotera dia vaky ny lohany. Ny zandary eny an-toerana no manao ny famotorana.
 - Anosy. Vehivavy torana tao amin'ny Fampanoavana. Asa na noho ny tahotra na noho ny harerahana fa torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa. Voarohirohy amina raharaha fisolokiana vola 5 tapitrisa izy ary hatolotra ny Fampanoavana no izao nitambotsotra izao. Nanapa-kevitra ny mpitsara fa alefa hitsabo tena aloha izy.
 - Manjakandriana - Lozam-pifamoivoizana. Tamin'ny RN2 - PK44, tao Antsakambahiny, afakomaly tolakandro. Fiara iray nitondra olona 5 avy any Manjakandriana ho aty Antananarivo no nivarina tany anaty tatatra raha niala omby teo afovoan'ny arabe ny mpamily. Olona roa no naratra mafy vokatr'izany ary nalefa tany amin'ny CHD Manjakandriana.



4588midi-mg-005374-7470-11092008 Lehilahy iray namoy ny ainy
Bealanana
Lehilahy iray namoy ny ainy
Lehilahy iray no fantatra fa maty rehefa avy nihinana goaika hitany teny amoron-dalana. Tsy niandry ela akory taorian'ny nihinanany izany dia tapitra ny ainy.
Nody avy niasa tanimbary ity lehilahy ity. Teny an-dalana anefa, nahita goaika efa tsy afaka manidina intsony izy. nentiny nody io vorona io, novonoiny ary nohaniny. Ny ampitson'io dia maty izy. Tany amin'ny tanàna atao hoe Andrabavato any Bealanana no nisehoan'izany. Nojeren'ny dokotera ny razana nefa tsy nahitana na inona na inona. Samy gaga ny rehetra. Raiamandreny iray teo an-tanàna no nilaza fa io vorona io dia nanarian'ny mpimasy aretin'olona saika maty ka izay mihinana na mikasika an'io dia maty. Nanohy ny fanazavana ilay lehilahy lehibe, tamin'ny fotoana tany aloha tany, any amin'ny vola no anariana ny aretina. Izay rehetra mandray an'io vola io dia maty avokoa. Raha vola ariary efatra, maty afaka efatra andro. Raha ariary folo, maty afaka folo andro.



4588midi-mg-005375-7471-11092008 Maty nananton-tena
Maty nananton-tena
Ny olona nirahina hivarotra lavanila mitentina 5 tapitrisa tsy niverina, ny vola 3 tapitrisa nindramina tany amin'ny rafozana very teny an-dalana. Tsy nahatanty izany ity lehilahy iray 25 taona ka nanapa-kevitra ny hananton-tena tao an-tranony. Tany amin'ny tanàna atao hoe Bamanevika any Sambava no niseho ity zavatra mampalahelo ity tamin'ny alatsinainy lasa teo. Mpamboly sy mpividy lavanila no asan'ity olona ity. Efa nahangona be dia be tokoa izy satria efa nahatratra hatrany amin'ny 100 kg. Nanomboka nivarotra izy ka naniraka olona iray hivarotra. Afaka roa herinandro anefa mbola tsy niverina io olona io. Teo anatrehan'izany dia nilaza ny hiala ao an-tokantrano ramatoa vadiny raha tsy tafaverina ilay vola. Nindram-bola tany amin'ny rafozany indray rangahy taorian'io saingy very ireo vola ireo rehefa tonga tany an-trano izy. Tsy zakany intsony ny zavatra nianjady taminy ka naleony namono tena.
Remi R. 


4588midi-mg-005376-7472-11092008 Asa an-terivozona ho an'izy efa-dahy
FANAFIHANA VAZAHA. Tamin'ny taon-dasa no niseho ity zavatra ity teny amin'ny faritr'Itaosy.
Asa an-terivozona ho an'izy efa-dahy
Omaly no niakatra tao amin'ny fitsarana ady heloka bevava, ao amin'ny Fitsarana Ambony ny raharaha fanafihana niaro fandrobana sy fanolanana vehivavy niseho teny amin'ny faritr'Itaosy tamin'ny volana desambra 2007. Indroa niseho ny fandrobana. Ny voalohany, ny alin'ny 9 desambra 2007 teny Avarabohitra. Trano iray no norobain'ireo jiolahy ary mbola novetavetainy ihany ilay vehivavy tao an-trano. Tsy nijanona teo anefa ny halatra. Ny faha-24 desambra, io taona io ihany, teny Bemasoandro, dia io andian-jiolahy io ihany no fantatra fa nanafika mpivady, vazaha ilay lehilahy ary Malagasy ny vehivavy. Ny vaovao re omaly teny amin'ny tribonaly ihany no nahalalana fa nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo tamin'io fanafihana faharoa io. Tsy afa-nihetsika izy mivady nanoloana izany ary nanaiky sy nanaraka izay zavatra notadiavan'izy ireo. Maro ny zavatra lasan'izy ireo tamin'izay. Rehefa nandeha ny fikarohana, tsy naharitra ela dia voasambotra ny atao hoe Rija A. sy ny namany miisa efatra. Raharaha maromaro no iampangana ireto olona ireto: fikambanan-jiolahy, halatra miaraka amin'ny fitaovam-piadiana, fametavetana vehivavy.
Rehefa nivoaka ny didy dia voaheloka 15 taona hanao asa an-terivozona i Rija A., ny namany iray hafa 7 taona ary ny roa 5 taona. Afaka noho ny fisalasalana kosa ny iray tamin'izy ireo.
Anisan'ny jiolahy nampitondra faisana ny olona ity ravan'ny mpitandro filaminana ity.

Lire aussi - Vonoan'olona : Novonoina tamin'ny famaky - Bealanana : Lehilahy iray namoy ny ainy - Sambava : Maty nananton-tena - Tapatapany 


4605midi-mg-005395-7490-12092008 Olona roa nodorana velona
HERISETRA. Ny iray maty ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana hatramin'izao.
Olona roa nodorana velona
Lehilahy iray 40 taona, maty nodorana velona. Ramatoabe iray 65 taona kosa mbola tsaboina hatramin'izao. Fahamaizana vokatry ny fandorana  velona ihany koa no nahavoa azy. Ireo no vokatry ny herisetra nihatra tamin'olona roa tany Antsirabe - Mandritsara sy tany Ambatondrazaka.
Ilay nahafaty ilay lehilahy dia niseho ny alin'ny 7 septambra lasa teo, tamin'ny 08ora sy sasany, tao Ankoaka, Ambohimiarina - Antsirabe/centre. Niara-nisotro toaka tamin'ny namany ity lehilahy ity, ka rehefa mamo izy dia nokapohin'ireo namany sady nentin'izy ireo niala ny tanàna. Nofatoran'ireo namany avy eo ary nodorany velona ary nilaozany. Tsy mbola maty teo noho eo anefa izy fa rehefa tapaka ny tady namatorana azy  dia namonjy tanàna nampandre ny fokonolona izy. Nalefa tany amin'ny hopitalin'i Mandritsara, ka maty teny an-dalana. Efa voasambotra kosa ny nanao ny heloka ary mbola karohina ny namany.
Ambatondrazaka
Tsy nisalasala akory ity zaobavin'olona nandrehitra  tamin'ny afokasoka ny lamba  nanaovan'ilay ramatoa be. Tsy vitan'izay fa mbola nambanany tamin'ny antsy ihany koa io. Tsy fantatra ny zavatra nampiasainy fa mora nirehitra tokoa  ilay akanjo, ka vetivety foana dia rakotry ny afo ny vatan-dramatoa be. Na dia niezaka nanala ny akanjo sy nitrosintrosina tamin'ny tany aza ilay rafotsy dia indrisy fa efa nitsoniky ny afo ny sofiny havanana, nikainkona may avokoa ny hodi-doha sy ny volo , masaky ny afo ny lamosiny iray manontolo. Nikainkona nidaraboka tamin'ny tany rafotsy ary tsy nahahetsika intsony. Ilay nandoro azy moa lasa nandositra. Ny zanak'ilay ramatoabe avy niantsena no nahita azy nitsirara amin'ny tany  izay efa rotiky ny afo, ary nitondra azy teny antranony. Ny 15 aogositra  teo, tokony ho tamin'ny 11 ora antoandro no nisehoan'izany tao Ambodimanga Ambatondrazaka . Mbola manaraka fitsaboana ilay ramatoabe amin'izao fotoana izao ary tsy afa-mihetsika am-pandriana .Efa eo ampelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Aina R./Janus 


4605midi-mg-005396-7491-12092008 Olona 15 no naiditra am-ponja
 Opération TSELATRA
Olona 15 no naiditra am-ponja
Nahazoana vokatra ny fanaovana ny  opération Tselatra  nataon'ny zandary ato amin'ny faritra Diana. Natao io opération Tselatra io, hoy ny Lieutenant Colonel Tsivahiny Patrick, lehiben'ny Zandarimaria ato amin'ny faritra Diana, mba hanesorana ny laza ratsin'i Nosy Be amin'ny tsy fandriam-pahalemana. Naharitra roapolo andro ny nanaovana ny operation, izay natomboka ny 19 agositra lasa teo. Ny resaka halatra madinika;  ny fampiasana ny zaza tsy ampy taona; ny fanaovana varo-maizina; ny kolikoly; ny fanimbana ala tsy nahazoan-dalana, ny halatra omby izay miteraka tsy fandriam-pahalemana no nanaovana hetsika tamin'izany. Misy fiantraikany amin'ny lafiny fampandrosaoana, indrindra amin'ny resaka fizahan-tany ny fisian'ireo mpanao asa ratrsy ireo. Ka nadritra io 20 andro io dia olona 92 no voasambotra, ny telopolo no natolotra ny fampanoavana ka ny 15 voatazona any am-ponja vonjy maika. Ny 15 sisa dia nahazo fahafahana vonjy maika. Ny 52 hafa kosa dia navotsotra taorian'ny fanadihadiana nataon'ny zandary azy.
Misy hazo tsy ara-dalana miisa 657 ihany koa tratra tamin'ireo botry na sambokely mpiasa mitatitra entana avy any amin'ny faritra Sofia. Tsy tenenina intsony ny fanaovana jono tsy ara-dalana sy ny resaka rongony. Zandary 67 no nanatanteraka ny asa tao anatin'izay fe-potoana izay. Nahatsapa ihany koa ity tomponandraikitra voalohany ao amin'ny Zandarimariam-pirenena ity fa misy fahalemena ny mpitandro ny filaminana ao Nosy-be, ka izany no mampirongatra izay tsy fandriam-pahalemana izay. Ao koa ny sasany mbola voasarika hatrany  amin'ity resaka kolikoly ity. Tsikaritr'ireo mpitandro ny filaminana ireo fa ny resaka fahantrana, avy amin'ny fikatonan'ny orinasa ao an-toerana, ny fanesorana mpiasa ataon'ny orinasa sasany  no mampirongatra io resaka tsy fandriam-pahalemana io ao Nosy Be. Ny fanampiana nataon'ireo manampahefana sy ny vahoaka tao an-toerana dia nanamora ny asa nataon'ireo zandary ireo, ka nahafahana namerina amin'ny laony ny fandriam-pahalemana amin'io kaominin'ny Nosy Be izay tanana iray anisany be mpizahatany indrindra ato amin'ny faritra DIANA.
V.JCL 


4642midi-mg-005436-7531-13092008 Maty nototoin'ny omby, nivoaka ny tsinainy, loaka ny tendany
Antsirabe II
Maty nototoin'ny omby, nivoaka ny tsinainy, loaka ny tendany
Tratran'ny tsy nampoizina ity raim-pianakaviana iray raha iny namoaka ny ombiny tao am-pahitra iny ka hitondra ireo handeha hisotro rano, fa dia notrongisin'ny ombiny iray izay efa zatra azy nandritra ny taona maro. Natsipitsipin'ilay omby no sady nohoseny ity tompony ka tsy afa-nanao na inona na inona. Lehilahy lehibe iray tokony ho 54 taona eo ity niharan-doza ny alatsinainy 08 aogositra teo ity, tao amin'ny tanànan'Ambalanirana, fokontany Masinandraina Antanimandry, distrikan'Antsirabe II. Fantatra fa dia nipotsaka mihitsy ny tsinain'ilay rangahy ary nisy loaka teo amin'ny tendany, ka na dia natao aza ny famonjena azy dia tsy tana ny ainy. Niezaka nandroaka ilay omby ny rahalahiny saingy izy indray no naratra vokatry ny fisorohana nataon'ilay omby azy.
Avy namonjy famadihana ity tompon'omby ity ary nikasa ny hitondra ireo omby hisotro rano no izao tratran'ny loza izao.
Lova 


4642midi-mg-005437-7532-13092008 Tapatapany
Tapatapany
 - SOFIA. Vonoan'olona. Ny 10 septambra teo, tokony ho tamin'ny 2 ora sy sasany atoandro, teo amin'ny toerana atao hoe Andriabe, kaominina Ambalavala no nahitana fatin-dehilahy iray. Lehilahy iray ao an-tanàna ihany no ahian'ny fokonolona ho namosavy azy io. Maty ihany koa io lehilahy voalaza fa namosavy io noho ny vono nataon'ny olona azy. Ny zandary avy ao amin'ny Borigady Antsohihy no miandraikitra ny famotorana.
 - Melaky. Halatra omby.
Tamin'ny alatsinainy alina lasa teo, tao Besalampy dia nisy nangalatra ny omby miisa 57. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona niaraka tamin'ny zandary miisa 3. Ny ampitson'io dia tratran'ireo mpanara-dia tao Ankizony, Ambalavao, kaominina Marovoany atsimo ny dahalo 4 niaraka tamin'ireo omby. Efa naverina amin'ny tompony avokoa ireo omby ireo.
 - Bongolava. Lehilahy iray nisy namono. Tany Ambohitromby Fenoarivobe, raha nandeha hody ny olona roa tamin'ny 8 ora alina, dia nisy nanaraka sy nidaroka rehefa nandalo tao amin'ny kizan'Ankilahila. Maty vokatr'izany ny iray. Afaka nandositra kosa ilay niaraka taminy.
 - Maintirano. Famakiana ny Zain. Saron'ny zandary avy ao Maintirano ireo olona miisa enina namaky ny Boutique Zain tamin'ny volana jolay. Gadra ao amin'ny fonjan'i Maintirano ny roa tamin'izy ireo. Anisan'ny voarohirohy ihany koa ny lehiben'ny fonja vonjimaika sy ny mpandraharahan'ny fonja ary ny tomponandraikitra iraisam-paritry ny Zain any an-toerana. Entana sarobidy maro no very tamin'izany.
Nangonin'i r.s. sy H.J. 


4642midi-mg-005438-7533-13092008 Voaendaka sy voadaroka ny mpandeha
TAXIBE SANDOKA. Milaza ho mpitatitra olona mankany Ivato ilay fiara, hay mpanendaka daholo no tao anatiny. Lasa ny vola sy entana sarobidy.
Voaendaka sy voadaroka ny mpandeha
Loza ny nahazo ireo olona efatra saika hamonjy fodiana eny Ivato ny alin'ny alarobia lasa teo. Faly fa hoe mba nahita fiara hodiana hay mpanendaka daholo ny tao anatiny, eny hatramin'ny mpamily aza. Toy izao ny fisehony. Mahazatra ny olona mody eny Ivato ka taratara fodiana ny manakana fiara etsy amin'ny Station TOTAL Antanimena, na eny amin'ny Parking 67 Ha. Ny alin'ny alarobia teo tokony ho tamin'ny 9 ora alina, dia nisy olona efatra niandry fiara teo amin'ny Parking 67 Ha. Nisy fiara minibus Mazda fotsy, nitondra enin-dahy no avy dia nanatona ary nijanona teo. Nilaza ilay mpamily fa ho eny Ivato ka afaka hitondra ireo olona ireo amin'ny sarany 500 ariary.
Nivily lalana
Niakatra àry ireo mpandeha, ny andro rahateo efa alina. Roso ny dia ka rehefa tonga teo amin'ny sampanan-dalana teo Ankazomanga mihazo ny Boulevard de l'Europe, dia nivily lalana ilay fiara ary namonjy toerana maizimaizina. Nitsangana avokoa ireo enin-dahy efa tao anaty fiara ary samy namoaka sabatra. Noteren'izy ireo hanome ny vola sy ny firavaka ary ny entana sarobidy any aminy ireo mpandeha. Nodarohan'ireo jiolahy ihany koa ny mpandeha iray saika hitsambikina avy eo am-baravarankelin'ilay fiara. Raha vao azon'ireo mpandroba ny zavatra nilainy dia navoakany ireo mpandeha ary nirifatra nandositra niaraka tamin'ilay fiara izy ireo. Nametraka fitoriana ireo niharam-boina ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Lire aussi - Antsirabe II : Maty nototoin'ny omby, nivoaka ny tsinainy, loaka ny tendany - Tapatapany 


4669midi-mg-005466-7560-15092008 NULL
 
Nécrologie (15/09/08) 

4687midi-mg-005485-7579-15092008 Nisavorovoro ny mponina
Tsarahonenana Sahanivotry.
 
Nisavorovoro ny mponina
Araka ny lahatsoratra izay efa notaterina teto tamin'ny herinandro lasa teo, mikasika ilay hoe fanafihan'ny jiolahy ny tranon'ny ben'ny tanàna tao Sahanivotry Tsarahonenana,dia fantatra fa nisy dimy lahy voasambotra ary efa niakatra teny amin'ny fampanoavana ny Alakamisy teo ka notanana am-ponja vonjimaika ny roalahy ary nahazo fahafahana vonjy maika ny telo sisa. Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa tsy fanafihan-jiolahy velively, araky ny tenin'ny ben'ny tanàna, no niseho tany an-toerana fa vokatry ny ady nisy tamin'ny alim-pandihizana tamin'ny famadihana iray tao an-tanàna ka  nahatapaka ny tanan'ilay zanany sy nahavaky ny lohan'ny mpiandry ny tanànany. Miteraka resa-be any an-toerana ankehitriny ity raharaha ity, satria re fa hisy ny fanangonan-tsonia hataon'ny mponina entina hanamarinana ny zava-nisy marina,fa na ny mpitandro filaminana aty an-toerana aza dia tsy faly amin'ity resaka tsy mazava nataon'Ingahy mera ity. Ny nahagaga ny maro ihany koa dia ny tsy mba nampandrenesana ny poste avancén'ny zandary izay misy any an-toerana, fa taty Antsirabe Ambonivohitra no nanatonan'ny ben'ny tanàna voalohany. Andrasana ihany koa ny fahatongavan'ny fitoriana izay hataon'ny mponina ankehitriny fa ny tena nanaitra ny sain'ny maro dia anisan'ny voalazan'Ingahy Mera fa jiolahy nanafika ny tranony ny zanaky ny mpiara-miasa aminy akaiky ao amin'ity kaominina Sahanivotry Tsarahonenana ity. Andrasan'ny maro noho izany ny ho tohin'ny tantara.
Lova
 
 


4691midi-mg-005490-7583-15092008 Notsatohany angady dia nataony tsetsin-tantatra
HASAROTAMPIARO. Ahavitana zavatra tsy nohevirna ity zavatra ity. Indrindra fa raha samy mihenjana ny roa tonta
Notsatohany angady dia nataony tsetsin-tantatra
 
Maty vokatry ny zavatra nataon'ny vadiny azy ny rangahy iray. Notsatohan'ny vadiny tamin'ny angady teo amin'ny kibony, teo amin'ny tratrany ary farany teo amin'ny lohany. Rehefa izany, navariny tany anaty tatatra. Tao ilay lehilahy no niala aina.
Tany amin'ny tanana atao hoe Andatony Ambatoafo, any Sambava, no niseho ity zavatra ity tamin'ny faha-5 septambra lasa teo. Niala maraina ho any an-tsaha izy mivady. Nandeha mialoha ilay rangahy. Afaka minitra maromaro taty aoriana vao nanaraka ny vadiny. Teny an-dalana anefa, hitan'ilay ramtoa nitazotazona vehivavy hafa io vadiny io. Ilay lehilahy moa tsy nahatsikaritra fa hitan'ny vadiny avokoa ny fihetsika nataony.
Rehefa tonga teny an-tanimboly, tezitra ramatoa ka notsatohany angady teo amin'ny kibon'ilay rangahy. Tezitra tamin'izany ny anao lahy ka nokapohiny hazo teo amin'ny sandrin'ny vavy. Vao maika niakatra ny hatezeran'ilay vehivavy ka nasiany tamin'ilay angady indray ny ambavafon'ilay rangahy. Torana avy hatrany ity farany. Tsy nijanona teo anefa ilay vavy fa mbola nampiana ihany ny vono, teo amin'ny lohany indray. Rehefa izany, nobatainy ary nataony tsetsin-tantatra. Ary dia tao no tapitra ny ain'ilay olona.
Nisy nahita ny adin'izy mivady, tsy iza fa ilay ramatoa notazotazon'ilay lehilahy. Io moa no fototry ny ady. Nijoro ho vavolombelona ramatoa io. Raha vao vita anefa ny zavatra nataon'ilay tompom-bady, lasa nandositra izy ary tsy mbola hita hatramin'izao.
Tena ahavitana zavatra tsy maintsy hanenenana ny hasarotam-piaro be loatra. Rava hatramin'ny tokantrano matetika. Ity niseho ity kosa niafara hatramin'ny fahafatesana.
59 taona rangahy, 42 taona kosa ny vadiny izay nahafaty azy.
Mamy Augustin
 
 
Lire aussi
 
Faux billets de 700 000 000 francs : Cinq personnes interpellées
 
Banditisme : Un détaillant en vanille attaqué
 
Tsarahonenana Sahanivotry : Nisavorovoro ny mponina


4700midi-mg-005500-7594-16092008 Volamena sy devizy saika haondrana any Bangkok
IVATO. Mateti-pitranga eny amin'io seranam-piaramanidina io ny karazam-panondranana. Volamena, vato, vato sarobidy...eny hatramin'ny olona aza efa saika tafavoaka teny avokoa raha tsy mailo ny mpitandro ny filaminana.
Volamena sy devizy saika haondrana any Bangkok
Devizy an-tapitirisany maro na ny marimarina kokoa amina miliara vola gasy, niaraka tamin'ny volamena telo kilao. Ireo no indray saron'ny ladoany, ny pôlisy misahana ny seranam-piaramanidina ary ny sampandraharahan'ny prezidansa misahana ny fikaroham-baovao (CIS) tetsy amin'ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato. Omaly maraina no voasambotra ireo voarohirohy. Saika haondrana any Bangkok ireo rehetra ireo raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Fiaramanidina izay niainga manodidina ny tamin'ny fito ora maraina no tokony hitondra ireo vola sy volamena izay tsy ara-dalàna noho ny tsy fisian'ny taratasy mazava.
CIS
Niovaova be ihany ny momba ny lelavola, araka ny loharanom-baovao izay nantsoinay. Izany indrindra no antony mbola tsy namoahana izany an-gazety aloha, mandram-pahazoana ny vaovao ôfisialy izay inoana fa ho fantatra mandritra ny fihaonan'ny tomponandraikitry ny ladoany miaraka amin'ny mpitandro ny filaminana anio, etsy Ivato, amin'ny mpanao gazety. Fantatra ihany koa fa efa narahi-maso nandritry ny fotoana misimisy ireo olona voarohirohy. Izany indrindra no heverina fa nilatsahan'ny CIS an-tsehatra tamin'ity raharaha ity. Avy aiza ireo vola ary taiza no niavian'ity volamena be telo kilao ? Inoana fa hahazo fanazavana bebe kokoa momba izany mandritra  ny fihaonana amin'ny tomponandraikitra maromaro anio, etsy Ivato.
Didi R. 
Lire aussi - Ambanja : Nisy  nanafika ny Clinique Ste Damien, lasa ny vola 22.000.000 Ar 


4700midi-mg-005501-7595-16092008 Roalahy nangalatra fitaovan'ny WC public
Ampefiloha
Roalahy nangalatra fitaovan'ny WC public
Voasambotry ny polisy avy ao amin'ny poste Ampefiloha ny bandy roalahy fantatra fa nangalatra kojakoja rehetra tao anatin'ny WC public eny an-toerana, tsy lavitra ny hidin-dalamby. Ny alin'ny sabotsy faha-13 septambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 12 ora, raha nanao fisafoana ny polsy dia nahatsikaritra telo lahy niloloha varavarana vita amin'ny aluminium miloko fotsy. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana ry zalahy dia lasa nandositra ny iray. Ireo roa hafa kosa tsy afaka nihetsika ary voasambotra.
Tamin'ny famotorana natao azy ireo dia nilaza ry zalahy fa varavaran'ny WC izay an'ny kaominina ireo nalainy ireo. Efa nalain'izy ireo tsikelikely ihany koa ny kojakoja sy ny fitaratra rehetra tao anatiny. Eny amin'ny tsenan'Isotry no hivarotana ny entana halatra.
Mpiambina ao amin'io trano fivoahana io ny iray R.H.J.B., 30 taona ary monina eny Miandrarivo Ambanidia. Tamin'ny fotoana nangalarany an'ireo zavatra ireo dia efa nahorony daholo ny entany ka raha vao lafo ireo varavarana dia nikasa handositra tsy hiasa intsony izy. Ilay namany iray dia mpivarotra entana tonta eo amin'ny Tsenaben'Isotry ary monina eny Andavamamba.



4700midi-mg-005502-7596-16092008 Nisy  nanafika ny Clinique Ste Damien, lasa ny vola 22.000.000 Ar
Ambanja
Nisy  nanafika ny Clinique Ste Damien, lasa ny vola 22.000.000 Ar
Ny alahady lasa teo no nitrangan'izany tao amin'ny clinique Ste Damien ity, tokony ho tamin'ny sivy ora maraina. Roa lahy izy ireo no nanafika ity hopitaly ity niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana maherivaika (pasy polenta). Lasan'izy ireo ny vola 22.000.000 Ariary miaraka amin'ny passe-port amin'ny anaran'ny prétra Alexandro, izay anisan'ny tomponandraikitra ao amin'ity clinique ity. Izy rahateo no tratran'ireo mpanao ratsy tao amin'ny birao. Tsy vitan'ny vola sy passe-port fa nokapohin'izy ireo ihany koa ny lohany sy ny tarehiny, nasian'izy ireo taratasy ny vavany ary nofehezina  sparadra . Nandritra ny resaka nifanaovana tamin'ny prétra Stéphano no nahafantarana izany tamin'io andro io ihany satria tsy nisy nahita ny olona manodidina teo. Araka ny filazany ihany koa dia ohatra ny olona handeha hitsabo ireny ihany izy ireo , ka tsy nahataitra ny olona manodidina.
Taiza ny mpitondra
Ny nampalahelo ireto prétra ireto hatramin'izao dia ny tsy fahitany ny hetsika nataon'ny mpitondra ao amin 'ny kaominina Ambanja na ny district na ny kaominina izany. Araka ny fantatra dia anisan'ny manampy ny mpitondra fanjakana betsaka ny tomponandraikitry ny Clinique, nefa amin'ny zavatra mandalo amin'ny izao dia tsy nisy na iray aza hatramin'ny omaly ny nitsidika azy ireo. Ireo prétra ireo no mpanampy ny olona sahirana, tsy nanan-katao ao amin'ity distrika ity raha sendra miditra hopitaly fa indrindra ny vehivavy bevohoka. Mety hiverina amin'ny toerana niaviany ity prétra Alexandro ity raha araka ny fahitana ny alahelo misy aminy amin'izao fotoana. Mety hikatona araka izay ihany koa ny Clinique satria tsy ilain'ny mpitondra. Raha iny ny tranga dia mety hatahorana indray ny hiverenan'ny tsy fandriam-pahalemana ao amin'ny distrikan'Ambanja.
V.JCL 


4723midi-mg-005527-7621-17092008 NULL
 
Nécrologie (17/09/08) 

4736midi-mg-005541-7636-17092008 Ireo tononkalo misaona
Ireo tononkalo misaona
Eo amorom-patanao
Kanto ery ny famindroana,
F'atao tanisa sy lalao
 
Inona ary no hafanana?...
Nofinofy tsy hita ho hanaja
Hirahira mahatamana
I!...Mientanentana ny tany!
 
F'eo amorom-patanao,
R'ilay Masoandro izay mandao,
Hisy ilo tsy ho foana.....
 
Hafanana tsy hita fetra
Hitosaka....Hampihararetra
Ireo tontolonao misaona!.....
SORAJAVONA-  16/09/08
 
Culture 

4736midi-mg-005542-7637-17092008 NULL
Pao-tsatroka
Ho fanajana sy ho fahatsiarovana an'i
RADO na Andriamanantena Georges
 
Fa misatroka aho dia mipaoka izany
Miondrika amy tany
Ho fanajako anao
Noho ny Asanao.
In-telo, im-pito, impiry ?
Fa... ASA MAKADIRY.
Fa ts'izaho irery
No atrika fijery
Mibanjina anao
F'izao tontolo izao
Dia ny Firenena
Manovo Fahendrena
'Ndreto re 'zahay
Mikambana, miray
'Ndreo mipaorozenitra
Satria tojo Fenitra.
'Ndreto re 'zahay tremalahy nab ado
Mankalaza anao, misaotra anao fa RADO n'
Ny Firene-mitoetra
Ny Firenen-drehetra
IANAO.
'Ndreto re 'zahay na lahy ireo na vavy
Ny ankohonankely, 'ndreo ny mpianakavy
Tojo anao izay sitraka
Ka dia mankasitraka
'Ndreto re 'zahay na kamolahy na mpiasa
Eny hatramireo namadika ny rasa
Misaotra anao 'lay telina
Ka dia mankatelina.
'Ndreto re 'zahay tanora sy ny zaza
Hatramireo mpitondra, mpitolona malaza
Misaotra anao tokoa
Misaotra eram-po.
Tovozin-tsy ho ritra
Toy ny loharano
Ny Asa Soratrao
Hery, Aina vao.
 
DINITRA sy ZO
SEDRA ihany koa
S'izay tsy voatanisa
K'anjaranay ny sisa...
Fa misatroka aho dia mipaoka izany
Miondrika amy tany
Ho fanajako anao
Noho ny Asanao...
 
RATSIMAHOLY Francinet
 
Culture 

4736midi-mg-005543-7638-17092008 NULL
Rado
 
Ankizy alikisa
tsy àry ho voatanisa
no resy taminao
tao am-pony tao...
Fa babo tsotra izao
Raha vao nolalovan'ny rindran-dahateny
mbamin'ny tononkalo nataonao ireny.
 
Be no nanjokaiky.
Betsaka no niaiky.
Nitolagaga marina taminao tokoa,
Ka naneho fa soa
Tsy misy iray tomika
Ny Tenin-drazantsika
Rehefa tiana handika
firehana ara-tsaina sy fihetseham-po...
 
Ohatra amin'izany ireny Tendritendry
raha ianao nikendry
Fenitra ankiray,
fa toa afo masina nampivaivay
ny hoe Ry Fahafahana !
Tamin'ireo ankizy miara-mifamahana
Vavaka sy Hafatra...
Sady toa fanoitra nampitombo aina
ireo miady saina
Isan'andro vaky
ka namolaka azy hahery loha hitaky
ilay masoandro mamy ho an'ny tanintsika
sy ho an'i Afrika!
 
(...)
 
RADO !
 
Fa mba firy izao
ireo ankizintsika izay nigoka anao
no tsy tonga mpianatra mandala amin'ny fo
ho tigetra koa
ilay fanevanao ambony sady soa
hoe : N'ino-n'inona rivotra miselona,
 Ny tiako sy ny taniko  kirizako ho Velona ?
 
........................................................
 
RADO !
 
Eny, hatramin'izao
ankizy sesehena no mitahiry anao
TSY HO FATY INTSONY ao am-pony ao,
Ary ho doria
satria
ianao... Fitia !
 
 
HAINGO
 
Culture 

4738midi-mg-005546-7640-17092008 Dahalo dimy matin'ny zandary
Mandoto
Dahalo dimy matin'ny zandary
 
Raikitra ny fifandonana teo amin'ny zandary sy ny dahalo mpangalatra omby tany amin'ny faritry Mangatamboahangy. Vokany, dahalo dimy no indray maty.
Fahombiazana miavaka tokoa no azon'ireo zandary dimy lahy miasa ao amin'ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto, notarihina zandary kilasy voalohany iray. Raha avy nanao famotorana tany amin'ny kaominina Mangataboahangy izy ireo, dia nifanehatra tamina andian-dahalo iray nandroaka omby miisa teloambinifolo tao Antokolava, kaominina ambanivohitra Mangataboahangy, distrikan'Ambatofinandrahana, ny 09 septambra 2008 lasa teo. Nahery vaika ny fifandonana ka dimy tamin'ireo ireo dahalo sivy no maty. Omby teloambinifolo kosa no tafaverina amin'ny tompony, izay norobaina tao Fiadanana, fokontany Morafeno, kaominina Anjomaramaritina, distrikan'i Mandoto ny 7 septambra 2008.
r.s.
 


4738midi-mg-005547-7641-17092008 Moraingy niafara tamin'ny faty olona
Analalava
Moraingy niafara tamin'ny faty olona
Ny 14 septambra hariva teo, tao Ambodisakoa,  kaominina Maromandia. Taorian'ny ady nifanaovan'ireto tovolahy roa, 18 taona sy 20 taona, dia torana ny anankiray ary niafara tamin'ny fahafatesany izany. Ilay tovolahy 20 taona io maty io. Notazonin'ny zandary ao amin'ny Borigadin'i Maromandia kosa ilay nahafaty.
Aina R.
 


4738midi-mg-005548-7642-17092008 Komandà sandoka nanafika taxi-brousse
RN7
Komandà sandoka nanafika taxi-brousse
Nisehoana fanafihana taxi-brousse indray tamin'ny RN7 (mampitohy an'Antananarivo sy Toliara) ny 14 septambra lasa teo, tamin'ny 2 ora maraina. Fiara mpitatitra olona an'ny Kaoperativa KOFIMANDIDY no notafihin'ny miaramila sandoka mitondra basy ka lasa ny vola sy ny firavaka ary ny entana sarobidy rehetra. Nitondra olona saika ho any Ambositra ity fiara ity no izao nisy nanafika izao.
Teo amin'ny tanàna atao hoe Antsapanimahazo (Antsoatany), 25 kilometatra tsy hahatongavana ao Antsirabe, no nosakanan'ireo jiolahy ilay fiara minibus Mazda. Araka ny fitantaran'ireo niharam-boina, dia nanao fanamiana miaramila ireo mpanafika ary mitondra ny gradina komandà mihitsy aza ny iray tamin'izy ireo.
Nosakanan'izy ireo ilay fiara ka rehefa nijanona dia nambanany tamin'ny basy ny mpandeha rehetra. Nosavainy tsirairay ka nalainy avokoa ny vola mitentina 4 tapitrisa Ia, ny firavaka volamena, ny finday ary ny entana sarobidy rehetra. Vao nahazo izany ireo jiolahy dia navelany nandeha ilay fiara.
r.s
 


4738midi-mg-005549-7643-17092008 Voasazy hiasa an-terivozona 10 taona Rababany
RAHARAHA SEA REINE. Omaly no niatrika Fitsarana ireo voampanga. Tsy nahazo natrehan'ny daholobe izany.
Voasazy hiasa an-terivozona 10 taona Rababany
Asa an-terivozona 10 taona miampy lamandy 700 tapitrisa. Ireo no sazy nomen'ny Fitsarana an-dRababany Christophe Michel (Rababany), Ramaroson Tahiry Michel (Ratah), Rainimiadana Jean Pierre (Rapepe) ary Razafitsinampoizina (Rakoto) izay voampanga tamin'ny fanafihana mitam-piadiana ny orinasa Sea Reine teny Talatamaty. Sazy 3 taona an-tranomaizina miampy didy fampisamborana kosa ny an-dRanoeliarisoa Thérèse Claudette (Dety), mpiray tsikombakomba amin'izy ireo.
Omaly no notsaraina tao amin'ny Fitsarana ny ady heloka bevava ny raharaha. Efa tokony ho tamin'ny 2 septambra no hiatrika Fitsarana izy ireo saingy nahemotra izany noho ny fangatahan'ny mpitory. Tsy azon'ny daholobe natrehina ny fotoam-pitsarana io omaly io noho ny fanahiana ny mety hisian'ny korontana. Naharitra ora maromaro izany ary ny Maître Chan Fah no niaro ny mpitory.
Raha tsahivina dia ny alin'ny 30 oktobra 2006 no nanafihan'ireto jiolahy ireto ny orinasa Sear Reine teny Talatamaty. Lasan'izy ireo tamin'izany ny Coffre nisy vola vahiny sy vola gasy mitentina 600 tapitrisa. Tsy voavahan'ireo mpanafika izany ka niantso an-dRapepe izy ireo. Rehefa azony ny vola dia nariany teny amin'ny ranon'Ikopa ilay vata fitehirizam-bola.
Polisy am-perin'asa sady tompon-daka eran-tany amin'ny Kick-boxing Rababany tamin'ny fotoana nanatanterahany ity fanafihana mitam-piadiana teny Talatamaty ity. Ratah no voasambotra voalohany tamin'izy ireo, io avy eo no nanoro ny namany ka nahasamborana tsikelikely ireo mpanafika. Mbola misy toe-javatra tsy mazava kosa anefa hatramin'izao ny amin'ity raharaha ity. Tsy inona izany fa ny momba an'i Haja Ra-ex izay voalaza fa mbola velona any raha nolazaina fa maty voatifitry ny polisy teny Ambohitrimanjaka.
Aina R.
 
 
Lire aussi
 
Analalava : Moraingy niafara tamin'ny faty olona
 
Mandoto : Dahalo dimy matin'ny zandary


4754midi-mg-005567-7662-18092008 Sazy an-terivozona 5 taona
Famonoana zandary 
Sazy an-terivozona 5 taona
Asa an-terivozona dimy taona miampy fandoavana onitra 20 tapitrisa Ariary, ireo no sazy navoakan'ny fitsarana ho an'ireo telo lahy voaheloka tamin'ilay fanafihana ny tobin'ny zandary (poste avancé) tao Vinaninony Faratsiho ny 16 septambra 2007 ka nahafaty ny chef de poste tao amin'io toerana io. Raha tsahivina fohy dia disadisa nateraky ny fisafoana sy fijerena ny bokin'omby nataon'ny zandary nandritra ny andro tsena no nitarika ny korontana ka nahatonga ny andian'olona maro nanao ny tsy tokony hatao teo amin'ny tobin'ny zandary toy ny fidirana an-keriny tao amin'ny birao, famotehana entam-panjakana sy antontan-taratasy miampy halatra, ary indrindra ny nahatonga ny fahafatesan'ny lehiben'ny toby. Olona 19 tany am-piandohana no nosamborina ka taorian'ny nandalovan'ny raharaha teo amin'ny fampanoavana dia 8 lahy no notanana am-ponja vonjimaika ary nahazo fahafahana vonjimaika ny 11 sisa. Taorian'ny fitsarana natao ny 16 septambara 2008 teo dia telolahy sisa no voaheloka hanao asa an-terivozona dimy taona sy handoa onitra 20 tapitrisa Ariary.
Lova 


4754midi-mg-005568-7663-18092008 Niara-maty teo am-panaovana firaisana
IMADY AMBOSITRA
Niara-maty teo am-panaovana firaisana
Tranga hafakely ary nampitolagaga ny maro ity niseho tany Antambihazo (Imady-Ambositra) tamin'ny sabotsy lasa teo ity. Olona roa, mpifankatia no niara-maty teo am-panaovana firaisana ara-nofo. Nandritra ny lanonam-pamadihana iray tany an-toerana no nitrangan'izany. Nanomboka ny alin'ny zoma ilay lanonana. Niara-nandihy tamin'ny olona tao izy roa kely ary rehefa niha-alina ny andro dia nisintaka izy ireo ka nitokana tao amin'ny efitrano tao ambadika hanao ny ataony. Nisy nahatsikaritra ny nidiran'izy roa tao ary nisy nitsikilo matetitetika ihany koa. Nandeha ny ora sy ny fotoana saingy tsy mbola nivoaka ireo mpifankatia. Rehefa maraina ny andro dia nanapa-kevitra ny tompon-trano fa ho dondomina ao. Akory anefa fa tsy nisy namaly mihitsy ka rehefa nosokafana ny trano dia ny vatana mangatsiakan'izy ireo no hita tao.
Lehilahy efa manam-bady aman-janaka ary monina eo an-tanàna ihany ity maty ity. Ilay tovovavy kosa, izay mbola tsy ampy taona, dia avy any Manandona (Antsirabe). Natolotra ny fianakaviany avy hatrany ny vatana mangatsiakan'ilay zazavavy ary nalefa any amin'ny tany niaviany. Ny an'ilay rangahy kosa nafenina aloha nandra-pahavitan'ilay lanonana. Hatramin'izao dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ireo.



4754midi-mg-005569-7664-18092008 Fiara levon'ny afo
ANKADIFOTSY
Fiara levon'ny afo
Kila tanteraka ilay fiara Renault Kangoo nirehitra tetsy Ankadifotsy omaly hariva tokony ho tamin'ny 7 ora sy fahefany. Tsy fantatra izay niavian'ny afo fa araka ny voalazan'ny nanatri-maso dia nisy pitik'afo nivoaka avy ao ambanin'ilay fiara. Naka ny palitaony ary lasa nandeha avy hatrany ilay vazaha nitondra azy. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nanampy ny fokonolona namono ny afo. Nisy vola may ihany koa tao anatin'ilay fiara izay nofaina. Natahorana ny fiitatry ny afo satria tsy dia lavitra eo ny toby famatsiana solika.



4754midi-mg-005570-7665-18092008 Fatin-jaza tanaty  sachet 
67ha
Fatin-jaza tanaty  sachet 
Nahitana fatin-jazarano tetsy amin'ny Cité des 67Ha akaikin'ny Cyber7 omaly maraina. Zazarano manodidina ny 3 volana eo ilay izy, araka ny fizahana natao. Nofonosina tao anaty sachet ilay zaza ary raha ny fijery azy dia ny alina no nanariana azy teo. Olona sendra nandalo, tokony ho tamin'ny 9 ora maraina teo, no nahita izany ka nampandre ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana. Mbola tsy nisy olona nosamborina aloha hatramin'izao fa efa mandeha kosa ny famotorana hahalalana ny tompon'antoka amin'izao raharaha izao.



4754midi-mg-005571-7666-18092008 Olona enina navotan'ny Z.P  Poizim-boalavo nahafaty zaza
Nosy-Be
Olona enina navotan'ny Z.P
Rendrika ny lakana izay mandeha amin'ny lay (voile), avy any Antranoharana ka ho any Nosy-Be. Nitondra olona enina sy akondro tamin'ny gony marobe izy io. Ny talata lasa teo no nitrangan'izany loza an-dranomasina izany. Soa ihany fa mba haingana dia nahare ny vaovao ny zandary ao Nosy-Be izay nanetsika avy hatrany ny sambokely haingam-pandeha fantatra amin'ny hoe Faneva. Nahitam-pahombiazana izany. Avotra avokoa mantsy ireo olona enina navadiky ny lakana. Ary na ireo akondro aza dia ampahany kely ihany no natelin'ny ranomasina.
Anosizato
Poizim-boalavo nahafaty zaza
Tetsy Anosizato-atsinanana no nisehoan'ity tranga ity ny harivan'ny alatsinainy teo. Nandritra ny tsy naha-teo ny olon-dehibe no asa izay nanjo ireo zaza ka nahatonga ireo handrapaka ity poizim-boalavo. Vokatr'izany, namoy ny ainy ny zandriny indrindra tamin'ireo. Ny roa kosa mba avotra ihany rehefa tonga ara-potoana teny amin'ny hopitaly.
D.R 


4754midi-mg-005572-7667-18092008 Ariaryzato nampisahotaka olona !
ANOSY. Rehefa tsy voalamin'ny pôlisy misahana ny fifamoivoizana dia voatery nentina teny amin'ny kaomisaria mihitsy ireo olona voakasika, izay tsy nisy nanaiky ho diso.
Ariaryzato nampisahotaka olona !
Nitangorona ny olona. Raikitra ny fifamaliana ary niditra an-tsehatra hatramin'ny pôlisy. Afakomaly, manodidina ny tamin'ny efatra ora hariva, tetsy Anosy, teo amin'ny fiantsonan'ny taxi-be ampitan'ny hotely Carlton no niseho ny sahotaka. Tsy dia nisy dikany loatra ny niandohan'ny olana saingy noho ny tsy fifandeferana dia lasa nivadika ho gidragidra. Toy izao ny fandehany. Nandray taxi-be zotra 119 teo Andavamamba ireto vehivavy roa, sady lava no ranjanana. Niady varotra izy ireo mba ho 200 Ariary no aloa noho ny dia antsasa-dalana monja. Raha ny fivazavazan'ireo dia nanaiky ilay resevera. Saingy nivadika tampoka io farany rehefa teny ambony fiara. Teo no niatomboka ny fifamaliana izay niafara tamin'ny fikasihan-tanana mihitsy. Voatery nijanona teo Anosy ilay fiara noho ny fahavoazan'ny saofera izay hita fa nisy mangana ny tavany. Saika hanasaraka io farany kinanjo izy indray no niantefan'ny felaka mafy dia mafy.
Ar 100: vatomamy roa
Nampidinina avokoa ny mpandeha sy ireo olona efatra, izany hoe ny saofera sy ny mpanampy azy niaraka tamin'ireo vehivavy roa dia nifanazava, na ny marimarina kokoa samy nifampidera vangy teo. Samy tsy nisy nanaiky. Nitohana hatramin'ny fifamoivoizana mihitsy noho ny fitangoronan'ny olona. Ireo pôlisy tokony hisahana izany rahateo voatery lasa nandamina ka niditra tsy fidiny tamin'ilay resaka. Nihodinkodina teo ary farany dia very hevitra ireo ny amin'izay handravonana ny raharaha. Natao avokoa izay tetika nentina nandaminana saingy tsy nisy nahomby. Ny fanapahan-kevitr'ireo farany dia ny nitondra ireo olona teny amin'ny kaomisaria. Ary teo koa dia tena tsy nihafahafa na mba niahotra kely ireo voakasika fa toa mainka aza nahazo vahana. Iza no omen-tsiny? Ireo nikasi-tanana ve sa ilay nandainga? Anjaran'ny manam-pahefana no mamaritra izany. Na izany aza anefa dia heverina fa tena taratry ny fahantrana eto amintsika ny tranga toy izao. Vola 100 Ariary, izany hoe vidin'ny vatomamy roa, no nitarika savorovoro be tsy hita nalamina....
 
Didi Ratsimbazafy 
Lire aussi - Imady Ambositra : Niara-maty teo am-panaovana firaisana - Ankadifotsy : Fiara levon'ny afo - 67ha : Fatin-jaza tanaty  sachet  - Nosy-Be : Olona enina navotan'ny Z.P 


4774midi-mg-005594-7689-19092008 Masiaka ny voay, olona roa no norambasany
Maevatanana
Masiaka ny voay, olona roa no norambasany
Olona roa no fantatra fa nalain'ny voay tany amin'ny faritry Maevatanana. Samy mpitrandraka volamena avokoa izy ireo. Ny voalohany, lehilahy lehibe tamin'ny faha-10 setambra teo. Raha mbola variana nanivana sy nisidika tao anaty rano tao izy no avy dia nosintonin'ny vaoy. Maro ny olona teo amin'ny manodidina teo. Avy hatrany dia nifampisintonana teo ilay rangahy. Tsy nahaleo ireo olona ilay biby ka avotra ihany ingahibe. Naratra mafy kosa anefa izy vokatry ny kaikitra nahazo azy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao.
Ankizy vavy vao 16 taona ny olona faharoa lasan'ny voay. Tamin'ny alarobia no niseho ity. Tamin'ny fotoana nirotsahany tao anaty rano no nohanin'ny voay izy. Tsy nisy hevitra nanavotana azy mihitsy. Hatramin'izao, mbola tsy hita ny fatiny.
Masiaka dia masiaka ny voay any amin'iny faritra iny. Mahavarian ny mponina ihany izany satria tsy misy rano miakatra akory.



4775midi-mg-005596-7690-19092008 Namono tena fa tratran'ny vadiny
FAMPIRAFESANA
Namono tena fa tratran'ny vadiny
Nodorany tamin'ny sigara ny vadiny ary namono tena ilay rangahy. Tranga niseho teto an-drenivohitra omaly maraina. Tratran'ny vadiny nampirafy rangahy ka notoriany tany amin'ny mpitandro filaminana.  Vao naharay ny fiantsoana anefa ilay lehilahy dia nodorany izany ary nodorany tamin'ny sigara ihany koa ny tarehim-badiny. Namono tena tamin'ny fanafody izy avy eo. Soa fa voavonjy malaky ka nalefa teny amin'ny HJRA. Nodiovina ny vavoniny ary mbola ao amin'ny reanimation izy hatramin'izao. Efa ela no nivadian'izy ireto, fa vao haingana kosa vao fanta-dramatoa fa mampirafy azy ny vadiny. Monina eto an-drenivohitra ihany izy ireo ary manan-janaka efatra.



4775midi-mg-005597-7691-19092008 Tapatapany
Tapatapany
Fatin'olona tao anaty hady. Ny alarobia lasa teo tokony ho tamin'ny 5 ora hariva no nahitan'ny mpandalo fatin-dehilahy, 58 taona,  nitsilany tao anaty hady tany amin'ny faritry ny tananan'Anjeva Avaradrano. Efa simba ny razana. Tonga teny an-toerana ny dokotera sy ny zandary nanao ny fizahana mahazatra. Nolazain'ny dokotera fa efa maty io olona io vao nodorana. Ny atin'akanjony no nahafantaran'ny zanany azy.
r.s.


4775midi-mg-005598-7692-19092008 Tsy ampy taona 16 nosamborina teo am-pijerena  porno 
BETAFO. Niaraka tamina olon-dehibe maromaro izy ireo no tra-tehaky ny mpitandro filaminana.
Tsy ampy taona 16 nosamborina teo am-pijerena  porno 
Nahitam-bokany ny hetsika nataon'ny mpitandro filaminana tany Betafo ny 15 septambra lasa teo. Tolakandro, tokony ho tamin'ny 4 ora teo no nilatsaka tampoka ny polisy ka tratra teo am-pijerevana sarimihetsika mamoafady ny olona miisa 40, ary zaza tsy ampy taona ny 16 tamin'izy ireo. Nosamborin'ny polisy avy hatrany ireto zaza ireto ary nentina tany amin'ny birao nalaina am-bavany. Nosamborina ihany koa ny tompon'ilay trano fijerena sarimihetsika. Noraofin'ny polisy niaraka taminy ny fitaovana fandefasana sarimihetsika toy ny fahitalavitra, lecteur VCD, radio cassette ary baffles roa. Efa nisy famotorana nosokafana amin'izao fotoana izao mikasika ity raharaha ity.
Voararan'ny lalana eto amintsika ny fivarotana sy fandefasana sarimihetsika mamoafady amin'ny sarambabem-bahoaka; indrindra fa amin'ny zaza tsy ampy taona. mahavoasazy ary mety hidirana am-ponja sy handoavana onitra izany.
Efa maro ny hetsika nataon'ny mpitandro filaminana hamongorana io fiparitaky ny sary mamoafady io eto amintsika. Vao tsy ela akory izay no nahatratrarana ilay rafotsibe mpandefa sarimihetsika mamoafady tetsy Isotry. Nisy zaza tsy ampy taona ihany koa tafiditra tao anatin'ireny raharaha ireny.
Tsy mahasakana ireo mpitady vola amin'ny alalan'ireny zavatra ireny anefa izany hetsika ataon'ny fanjakana izany. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpivarotra kapila mangirana misy horonan-tsary mamoafady etsy analakely manoloana ny NAZA sy Air Mad ary BaoLAi isika. Tsy misalasala akory ireo mpivarotra ny mampiranty ny kapila amin'izay rehetra mandalo. Miparitaka eto amintsika koa amin'izao fotoana izao ireny Briquet misy lampe torche mamoaka sarim-behivavy miboridana ireny. Eny fa na hatrany amin'ny grande surface aza dia ahitana izany. Inoana fa tsy ho ela dia hanao hetsika amin'ireny ihany koa ny mpitandro filaminana.

Lire aussi - Fampirafesana : Namono tena fa tratran'ny vadiny - Tapatapany 


4778midi-mg-005602-7696-19092008 NODY ILAY MASOANDRO
NODY ILAY MASOANDRO
Nody ilay masoandro fa efa tonga ny fotoany,
Rehefa nibaliaka ela tanivon'ny voahary sy tontolo;
Ny foko ao anatiko ao, indrisy, injao mamolivoly,
Mahatsiaro ny hazavana sy ny hafananaizay natolony.
Nody ilay masoandro, nilaozany ity tanàn,
Nikoloiny sy nivoizany irony kanto samihafa;
Nampiorina azy ireo mba tena hiorim-paka,
Lova ho dimbiasan'ireo taranak amam-para.
Hazavana nibaliaka toa tsy hanam-paharoa,
Hafanana  tsy hay lazaina, tsy nandoro, tsy nahamay
Ireo teny, soratra, vetso; toa miafina,..... toa hay;
Aingam-panahy tena raitra, mampisaina indrindra koa.
Tsy nifidy toerana hiposahana na hoe tany ho hazavaina,
Fa izay nalehany rehetra di nahazo ny anjarany;
Nahazo soa, teny mamy, herin-tsaina mba hihoirany,
Nahazo ranom-pahalalana, soa nahavelon'aina.
Avo loatra raha ny toearana nitondrany ny haisoratra;
Eny an-doha ambony eny toa tandroka fiarovana;
Injay indray anefa toa am-po toy ny haja isalorana,
Mameno, mampijoro indrindra koa, ny Olona rehetra,
Soa fa maro ireo tavela tamin'ny taratra sy hazavany,
Mba ho raisin'ny volana sy ny kintana ato aoriana;
Hapariakan'ireo indray amin'ny kamboty mbola liana,
Zatra nianta tsy an-kiato sy nigoika hatrizay.
Lasa ilay Handrarezina, tsy nety resim-pahavalo,
Tsy nandositra ady akory na koa hoe nitsoaka adidy,
Fa ny alina dimbin'ny andro, izany mantsy no ilay didy.
KA LASA IZY, IZAY NO ANJARA, FA TSY LANY TONONKALO
NY HAJA Rakotomalala Basilia
Cahier Culture 

4793midi-mg-005618-7713-20092008 Ankizy nitsindroka  yaourt , 1 maty 15 nalefa hopitaly
FANAPOIZINANA. Isan'andro no ahitana olona mitoby manodidina ireny fanariam-pako ireny eto amintsika. Zavatra maro no alainy eny ka anisan'izany ny sakafo simba
Ankizy nitsindroka  yaourt , 1 maty 15 nalefa hopitaly
Nisehoan-java-doza teny amin'ny faritr'Itaosy Cité, omaly zoma sy afak'omaly alakamisy hariva. Ankizy miisa hatrany amin'ny 16 no indray voapoizina avy amin'ny fihinanana yaourt notsindrohin'izy ireo teny amin'ny fanariana fako. Vokatr'izany, narary avokoa izy ireo. Toy izao ny fisehoan'ny aretina, nandoa dia nivalana ireo zaza ireo. Tsy maintsy nentina haingana teny amin'ny hopitaly Itaosy nanaraka fitsaboana ireto ankizy ireto raha vao fantatra ny zavatra nahazo azy. Omaly maraina anefa, tsy tana ny ain'ny iray tamin'izy ireo. Marihina fa voa 5 taona monja izy io.
Amin'iny faritra iny, rehefa hariva ny andro dia misy mpiasa avy ao amin'ny kaominina mandeha mandroaka ny fako miparitaka eny rehetra eny. Tamin'ny alakamisy hariva tokony ho tamin'ny 4 ora, nanao ny asany ity olona ity. Tao amin'ny fako nentiny dia nisy ireny karazana yaourt tsotra ireny izay amboarin'ny olona any an-tranony any (yaourt à boire) ka amidy 50 ariary ny iray. Nariana teny amin'ny toerana fanatobiana fako izany (dépot d'ordures). Nisy ankizy nahita an'ireo zavatra ireo ka avy hatrany dia nitsindroka ary nihinana. Dia izao no vokany.
Raha ny fahafantarana an'ireo zavatra ireo dia ankevitry ny entana tsy lany na simba an-toerana ary tsy namidin'ny tompony intsony izy ireo. Napetrany fotsiny tamin'ny sisin-dalana anisan'ny fako. Dia izao niteraka ny loza izao.
Tsy voaara-maso ny sakafo amidy eny amoron-dalana rehetra eny. Maro dia maro anefa ny mpivarotra no manamboatra izany amin'izay saim-patany. Misy amin'ireny zavatra hanina ireny anefa lasa mivadika ho poizina rehefa tsy voatandrina ny fahadiovana eo am-panamboarana azy. Tsy mila akory hoe lany andro. Tena mahafaty mihitsy rehefa simba avy eo.
Ny isan'ny olona mitsindroka fako koa anefa etsy andaniny toa mitombo andro aman'alina, indrindra fa aty amin'ny renivohitra sy ny manodidina.



4793midi-mg-005619-7714-20092008 Ganagana roa no namonoana azy
Halatra
Ganagana roa no namonoana azy
Hitan'ny tompony nangalatra ganagana roa ary nanolana ny tendan'ireo vorona ireo ny lehilahy iray. Niantso fokonolona avy hatrany ity tompony ity. Naleha teny amin'ilay toerana ary dia tsy afaka nihetsika ilay mpangalatra. Avy hatrany dia niharan'ny kapoka tamin'ny hazo sy vono maro isan-karazany teo izy io. Vaky ny lohany sy ny masony ary voavely mafy teny amin'ny kibony. Rehefa tsy afaka nihetsika intsony dia natsipy tany anaty rano. Tsy nijanona teo anefa ny fidarohana fa mbola nohosihosena tao anaty rano tao ilay olona. Ny vaovao no nahafantarana fa teo amin'ny fito teo ny isan'ny olona nanao izao zavatra izao. Niafara tamin'ny fahafatesan'ilay rangahy ny tantara.
Rehefa tsy niaina intsony izy dia lasa nandeha namonjy fodiana ry zareo. Tamin'ny zoma tamin'ny herinandro lasa teo no niseho ity zavatra ity. Ny alahady anefa vao nalain'ny fokonolona avy ao anaty rano ny razana. Tsy misy mahalala izay havan'ilay nangalatra. Ny alatsinainy no natao ny fandevenana. Tany amin'ny tanana atao hoe Beamalona kaominina Androndrona any Maroantsetra no nisy izao halatra narahana vonoan'olona izao.



4793midi-mg-005620-7715-20092008 Basy vita gasy azon'ny polisy
Fandriampahalemana
Basy vita gasy azon'ny polisy
Tamin'ny alarobia alina teo, raha nanao fisafoana ny polisy avy ao amin'ny 3e arrondissement Antaninandro niaraka tamin'ny polisy avy ao Taralalana, dia nahita telolahy nampiahiahy teny Andravoahangy akaikin'ny kolejy Sainte Antoine. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana izy ireo dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana. Nihazo ireo elakelatrano marobe ireto olona ireto ka tsy hita izay nalehany na dia nanao tifi-danitra aza ny polisy hampijanona azy ireo. Tamin'izany fandosirany izany anefa dia latsaka avy any amin'izy ireo ny basy vita gasy iray miaraka amina  chargeur  tena izy tsy nisy bala. Avy hatrany dia notazonina io fitaovam-piadiana io.
Taloha kelin'ny nanenjhana ireo telolahy ireo, nanao fisafoana teny Anjanahary ambonin'i Mascar ireto andiana mpitandro filaminana ireto. Tokony ho tany amin'ny 10 ora sy 40 mn, nahare feom-behivavy niantso vonjy ry zareo. Nojerena ilay toerana ka lehilahy iray no tratra. R. Simon na Lora, 47 taona, no ahafantarana azy ary mpitatitra entana no asany. Rehefa nojerena dia nahitana sabatra lehibe misy nifinifiny sy big boss insecticide ary rojo vy tany aminy. Ilay vehivavy niantso kosa tsy hita izay nalehany. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha.
Izao ezaka ataon'ny polisy izao dia tafiditra indrindra amin'ny hetsika manokana eo anatrehan'ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana aty an-tanandehibe.



4793midi-mg-005621-7716-20092008 Olona 8 naratra mafy
Fiara nivadika
Olona 8 naratra mafy
Lozam-pifamoivoizana niseho tany Voatavo- Ihosy (lalam-pirenena faha-7 mampitohy an'Antananarivo sy Toliara), omaly maraina tokony ho tamin'ny 3 ora. Fiara minibus Mazda no nivadika ambony ambany. Vokany olona 8 tamin'ireo mpandeha no naratra mafy. 50 Km tsy ahatongavana any Ihosy raha avy aty Antananarivo no nisehoan'ny loza. Misy milempona tampoka izay ny arabe mialoha ny hidirana ny tetezana iray amin'iny lalana iny. Latsaka tampoka tao ilay fiara ka niala lalana ary nivadika ambony ambany. Soa aza fa tsy lasa tany amin'ilay tetezana, raha tsy izany dia zava-doza no niseho. Valo tamin'ireo mpandeha no tena naratra mafy ary nalefa haingana notsaboina any amin'ny hopitalin'Ihosy.
Avy any Soatanana ary ho any Toliara ity fiara ity no izao niharan-doza teo Voatavo izao. Ny zandary ao Ihosy no misahana ny famotorana mikasika ity loza ity.



4814midi-mg-005644-7737-20092008 Ho an'i Rado      RAHA ...
Ho an'i Rado
 RAHA ...
Raha hitsahatra ny soratra ka ny penina ho moana
Ilay kanto tsara faka, nofy izay hanintsan-dravina ;
Ary ny hamin-dranomainty tsy ho ritra, tsy ho foana
Hampitohy ny ladin-kevitra ampoky ny soa toavina.
Raha hilofika ny laingo eny an-tendron-javakanto
Ireo fela-midorehitra hihazona hatsaran-tarehy,
Misy saina liana hatrany tsy mitsahatra mandranto
Izay tsiro voatantavana tsy ho vita indray mifehy.
Raha hilentika ny maso, fitarikandron'ny taonjato
Ireo rantsana baliakan'ny hafatra miampita
Mbola hamelona fitia ho hery-aina tsy an-kiato.
Raha hitsahatra ny soratra, mbola iarahana nahita
Ireo tsangambato velona itsaohan'ny mpandalo
Amin'Iny lalana iny ka mandainga izay tsy hikalo.
RAMPANANA Raymond
Cahier Guide de week-end 

4814midi-mg-005645-7738-20092008 Tsy maty RADO satria,
Tsy maty RADO satria,
Ny toham-baliha no nihintsana
Fa ny tadiny mbola hikorintsana.
Raha folaka hatreo 'zany peniny,
Hanako eny ihany ny teniny.
Ny hafatrafatra rehetra napetrany
Ho bitsibitsika tsy hisy fetrany.
Nirakofany mora ny lambany
Dia natory izy iny... angambany!
Randriamandrato Andriamampandry
Aude Emma
19 septembre 2008
Cahier Guide de week-end 

4819midi-mg-005651-7748-22092008 Olona 5 maty, 7 naratra mafy
FIARA NIFANDONA
Olona 5 maty, 7 naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona maromaro teto an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo. Ny tena nisongadina dia ilay tetsy amin'ny sampanan-dalan'Ambohitrimanjaka (route digue) ny marainan'ny sabotsy teo. Loza izay namoizana ain'olona roa, sy ilay teny Anosizato ny harivan'ny sabotsy ihany izay nahafatesana olona telo.
Ambohitrimanjaka
Ny mikasika ilay loza teny amin'ny sampanan-dalan'Ambohitrimanjaka dia toy izao ny fisehony. Fiara 4x4 roa no nifandona mafy ny marainan'ny sabotsy teo. Vokany, olona roa maty teo noho eo ary olona 4 hafa naratra mafy, very saina mihitsy aza ny iray.
Samy nandeha mafy avokoa ireto fiara roa  (Nissan, Mitsubishi) ireto raha ny fijery azy. Samy potika tanteraka vokatry ny fifandonana mafy. Mpirahalahy ary niaraka tao anatin'ilay fiara Nissan ireto olona roa namoy ny ainy ireto. Mbola manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly kosa hatramin'izao ireo hafa naratra izay tao amin'ireo fiara roa.
Anosizato
Ilay nitranga teny Anosizato kosa indray dia niseho ny hariva, tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka fahatelony. Taxi-be handeha hiakatra ho aty an-drenivohitra no nofaohin'ny kamiao. Vokany, olona 3 no maty ary 3 naratra mafy. Nisy taxi-be hafa nijanona teo alohan'ilay camion semi-remorque niala iny izy ary nahavoafaoka ny ilany havian'ilay taxi-be nifanena taminy. Potika tanteraka ilay fiara ary hatramin'ny mpamily aza voa mafy. Mpianaka (39 sy 5 taona) no niara-namoy ny ainy tamin'ity loza ity, niampy tovolahy iray 39 taona. Ny zandary eny an-toerana no misahana ny famotorana. Ireo naratra kosa nalefa notsaboina teny amin'ny HJRA ary nisy ny efa namonjy fodiana.



4819midi-mg-005652-7749-22092008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Antsahameva. Mpivarotra maty voatsatok'antsy. Raha vao nanokatra tsena vao maraina ity lehilahy ity no notafihan'ny jiolahy miisa efatra ny sabotsy teo. Notsatohan'izy ireo antsy in-droa ilay rangahy, ary nangalariny ny fitaovan-dakozia tao amin'ilay fivarotana. Mbola nahavita niantso vonjy ihany izy saingy lasa nitsoaka ireo namono azy. Nentina notsaboina izy saingy tsy tana ny ainy.
 - Talatamaty. Avy nandray vola dia maty nisy namono. Vehivavy mpiasa amin'ireny zone franche ireny ity nisy namono tamin'ny tsatok'antsy ity. Avy nandray vola izy ny zoma hariva teo no nisy nanendaka ary nisy namono ho faty.
 - Analakely. Fanafihan-jiolahy, mpiambina voatifitra. Ny sabotsy tamin'ny 10 ora, nisy lehilahy nitondra sakaosy toa avy nangalarina tetsy amin'ny Sicam. Nosakanan'ireo mpiambina izy ka raha iny hosavaina iny no avy dia nitifitra. Voa teo amin'ny feny ny iray tamin'ireo mpiambina, ilay lehilahy kosa lasa nandositra.



4853midi-mg-005690-7784-23092008 Milaza ho mahatafavoaka gadra ao Antanimora
MPITSARA SANDOKA
Milaza ho mahatafavoaka gadra ao Antanimora
Tratra ihany rehefa avy namitaka olona maro nandritra ny fotoana ela ireo roa vavy nisandoka ho mpitsara sy mpiara-miasa. Eny Antanimora eny izy ireo no miandry ireo mpanati-barin'ny gadra ary milaza ho mahavita mamoaka gadra ao am-ponja. Renim-pianakaviana iray no voany farany teo. Nitory ity farany ary izao niafara amin'ny fisamborana azy ireo izao.
Voatazona vonjimaika ao Antanimora nanomboka tamin'ny volana marsa noho ny raharaha iray izay mahavoarohirohy azy ny vadin'ity ramatoa voasoloky ity. Tsikaritr'ireo mpisoloky izy mivezivezy manati-bary eny ka nohatoniny. Nilaza ny iray fa rahavavina mpitsara ary afaka manome fahafahana vonjimaika ilay rangahy saingy misy tambiny 5 tapitrisa izany. Tsy nanaiky anefa ireo manan-kavana migadra fa mbola nieritreritra. Isaky ny manati-bary eny Antanimora anefa izy dia manatona azy foana ilay mpisoloky ka resy lahatra ihany izy nony farany. Tsy nanam-bola anefa ry zareo fa tsy maintsy nindram-bola tany amin'ny OTIV ka ny tanin'izy ireo no natao antoka. Naloa tokoa àry ilay vola, nandeha teny ny fotoana saingy tsy nety nahazo fahafahana ilay olona migadra. Dimy volana taty aoriana, nilaza indray ilay mpisoloky fa efa nomeny izany Tale miasa ao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana izany ny vola 3 tapitrisa ka io olona io no hikarakara azy. Nanatona an'io indray ilay voasoloky saingy nandà mafy ho tsy mahalala izany ilay Tale.
Nametraka fitoriana teny amin'ny zandary farany ilay ramatoa saingy teo anelanelan'izay hay efa nitory azy tany amin'ny polisin'ny Faritany koa ireo mpisoloky ary navadiny ny raharaha, ka ilay olona nosolokiany indray no nolazainy fa ananany vola. Nandeha teny amin'ny Fitsarana ny raharaha saingy nahazo fahafahana vonjimaika ilay ramatoa. Niakatra Fampanoavana omaly kosa izy roavavy milaza ho mpitsara sy ilay mitonona ho rahavaviny izay naka ny vola 5 tapitrisa ary nalefa vonjimaika eny Antanimora, ka amin'ny alarobia izao indray no miverina hohenoin'ny Mpitsara.



4853midi-mg-005691-7785-23092008 Tsy misy idiran'ny TROPICANA II
VONOAN'OLONA TANY SAINTE MARIE
Tsy misy idiran'ny TROPICANA II
 Tsy misy idirako, ary tsy misy idiran'ny faharendrehan'ny sambo TROPICANA II mihitsy ilay vonoan'olona tany Ambia, Sainte Marie. Fanosoram-potaka ahy tsotra izao ireny  , hoy Atoa Clevice, tompon'ny sambo TROPICANA II. Nisy voanoan'olona nitranga tokoa mantsy tany amin'io toerana io ny 27 aogositra lasa teo. Voatonona tamin'izany ny anaran'ingahy Clevice, izay voalaza fa naniraka ilay mpamono. Tsy vonoan'olona ilay izy, raha ny tena marina fa adin'olona mamo ary niafara tamina fahafatesana. Efa lonilonin'izy ireo hatramin'ny ela noho ny resaka ady tany. Tany izay novidiana fikambanana iray, izay ingahy Clevice no mpitantam-bola, tamin'io lehilahy maty io. Tsy izaho no nividy ny tany fa ny fikambanana ary tsy teo imasoko akory. Tsy teto ihany koa aho ary tsy nahafantatra akory fa miady ireo olona ireo raha tsy ny ampitson'iny. Tonga teto amiko ny zanak'i Clotaire (ilay maty) nilaza fa marary mafy ny rainy ary mila fitsaboana. Mbola izaho aza no nanampy azy ireo ara-bola , hoy ny tohin'ny fanazavany. Efa nandeha ny famotorana nataon'ny zandary ary efa any amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy i Odon, ilay mpiambina namono nahafaty an'i Clotaire. Mikasika ny sambo Tropicana II indray dia nambarany fa efa any amin'ny Tribonalin'i Toamasina ny raharaha.



4853midi-mg-005692-7786-23092008 Ramatoa 81 taona maty notifirin'ny jiolahy
Toliara
Ramatoa 81 taona maty notifirin'ny jiolahy
Tamin'ny alahady alina lasa teo, notafihan'ny jiolahy ny trano iray teny Basakoa. Vokatr'izany, vehivavy lehibe iray no voatifitra ka maty teo noho eo. Mbola niantefan'ny balan'ny mpandroba ihany koa ny fiara nentin'ny vinanto sy ny zanany. Tsy nisy olona voa fa ny fitaratra no vaky. Lasan'ireo jiolahy nandritra ny fifanjevoana ny firavaka volamena teny amin'ireo zanak'ilay ramatoa.
Ny vaovao voaray avy any an-toerana no nahafantarana fa miisa roa ireo mpanafika. Tamin'ny fahatongavany izay henon'ilay vehivavy tsara tokoa dia mbola afaka niantso an-telefaonina ny zanany izy ary mbola niantso vonjeo ihany koa. Ity farany ity anefa vao tonga avy aty Antananarivo. Simba teny an-dalana ny fiara nitondra azy ka izany no naha tarabe azy. Ilay vinanto moa no nitsena. Raha vao tonga tao amin'ilay trano ireto mpihoatra dia io fitifirana io no hitan'izy ireo.
BEMS 


4853midi-mg-005693-7787-23092008 Zandary telo niatrika fitsarana
Anosy
Zandary telo niatrika fitsarana
Raharaha telo samy hafa nahavoarohirohy zandary telo no niseho teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Ilay zandary voalohany dia voampanga ho nandositra ny toby niasany. Efa akaiky ny fitsarana azy vao voasambotra izy. Ny raharaha roa hafa dia miompana amin'ny fanodinkodinana fitaovam-piadiana. Ny voalohany, izay tonga teny Anosy dia nilaza fa tamin'ny fotoana nahavery ny fitaovana teny aminy dia voaendaka izy teny Anosizato. Mikasika ilay faharoa dia fantatra omaly fa tany Antanifotsy no tsy hita ny fitaovana teny aminy tamin'ny taona 2005. Tsy tonga niatrika ny fitsarana azy moa ity farany ity.



4870midi-mg-005713-7806-24092008 Rano misy lolo, nandatsahana rà vao hita ny fatin'izy mirahalahy
Alaotra  Mangoro
Rano misy lolo, nandatsahana rà vao hita ny fatin'izy mirahalahy
Na dia niezaka nanao izay hamonjena ny namany aza ireo rehetra nanatri-maso  dia tsy  nahavonjy mihitsy. Nilomano  tamin'ny rano  mantsy ireto tovolahy ireto, kinanjo tampoka teo niantso vonjy ny iray, raikitra ny famonjena nataon'ireo namany, tsy naharitra fa nidina tao anaty rano ihany koa ny  rahalahan'ilay hovonjena. Nieritreritra ny hamonjy ilay rahalahany ihany koa izy, sarotra ny famonjena  satria vetivety dia samy tsy hita  izy roalahy ;  ny rano rahateo moa lalina. Natao avokoa ny hevitra rehetra fa afa-nenina ireo namany, hany hery niantso ny olona manodidina  ary niantsoana ny zanadrano ihany koa. Nanambara itsy farany fa tsy ho hita izy roalahy raha-tsy handatsahana rà  ny rano, ka tamin'ny alalan'ny famonoana akoholahy mena no nanaovana izany, ary nalatsaka tao anaty rano ny rany. Hita izy mirahalahy rehefa afaka fotoana fohy saingy efa vatana mangatsiaka.
Rano manan-jiny
Araka ny voalazan'ny manodidina dia rano fandroan'ny mpimasy tamin'ny andron'ny fahagolantany io rano io  ka tsy fantatra  na misy ifandraisany  amin'izany izao naha-faty azy mirahalahy izao na tsia, ary ny nahagaga ireo namany nanatri-maso  dia ny fiovan'ny endriky ny rano tao anatin'ny fotoana fohy  rehefa samy tsy hita izy mirahalahy, marihina fa rano mandeha io rano io. Mpiara-miasa nanantanteraka fitsangatsanganana  niaraka tamin'ny fianakaviana moa ireo niaram-boina ireo, ary irony securité amina orinasa irony izy mirahalahy maty ireo. Tany amin'ny 20 km miala ny tananan'i Morarano chrome,  ao anatin'ny distrikan'Amparafaravola,  no nitrangan'izany ny Asabotsy 20 septembre 2008 teo tokony tamin'ny 11 ora antoandro tany ho any. Mampanahy be ihany ny fandroana amin'ny rano tsy fantatra, indrindra fa amin'iny misandratr'andro iny aty Alaotra,  hoy ireo  lehibe nahita.
JanusR 


4870midi-mg-005714-7807-24092008 Tanora iray fokontany nosamborin'ny zandary
Sofià 
Tanora iray fokontany nosamborin'ny zandary
Efa andro maromaro izay no nampihorohoro ny mpitondra tao amin'ny fokontany Ambalasotry , kaominina Befotaka, distrikan'ny Maromandia ny tanora vitsivitsy ao an-toerana. Araka ny voalazan'ireo mponina sendra anay teo Befotaka dia noho ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben'ny fokontany manao ny asany tsara sy manaramaso ny fandriampahalemana ao an-toerana loatra no tsy tian'izy ireo. Nosimbain'ireo tanora ireo avokoa ny volin'ny lehiben'ny fokontany sy ireo andrimasom-pokonolona ireo. Tsy vitan'izay ihany fa nampandadizina ihany koa ny tompon'ny voly sasantsasany raha nahita azy ireo nanao ny asa ratsiny. Ny alahady teo dia 14 ny tanora nosamborin'ny zandary avy ao Maromandia. Nentina natao famotorana tao amin'ity fokontany Ambalasotry ity, kaominina Befotaka. Tamin'izy 14 ireo dia nisy ny zaza tsy mbola ampy taona ka 15 taona no zandriny indrindra. Araka ny nambaran'izy ireo tamin'ny lehiben'ny fokontany dia ny hahafaty azy mihitsy no tena tadiavina. Nambaran'ireo zandary fa efatra eo ho eo no tena ahiahiana mafy ho atidoha nikotrotra fa tsy maintsy atao ihany ny famotorana azy rehetra ireo.
Alahelo no hita tamin'ny raiamandreny. Vory teo Befotaka avokoa ireo ray aman-drenin'ireo tanora  nosamborina ireo nanaraka ny zanany. Tao ny latsaka ranomaso, nahita ny zanany nofehezina tady. Ny nampalahelo ny vahoaka teo an-toerana dia ny fahitana ny jalin'ireo ray aman-dreny tonga teo an-toerana amin'ny  fahatsapana ny maha tsara ny zanaka. Ny zaza no maditra, ny raiamandreny no sahirana.
V.JCL 


4870midi-mg-005715-7808-24092008 Nitokona ny mpamily taxi-be
Antsiranana
Nitokona ny mpamily taxi-be
Ny alatsianiny faha-22 septambra tokony ho tamin'ny 10 ora maraina, tao Antsiranana renivohitra, dia nanao fitokonana ny mpamily fiara taxi-be 20 eo ho eo amin'ny zotra mampitohy STAR-Ambalavola-Hopitaly. Nentin'izy ireo ny fiara ary nijanona tsy niasa izy ireo fa nipetraka teo anoloanan'ny Auto Ecole Reglage.
Ny anton'ny fitokonana, araka ny vaovao nampitaina tamin'ny mpanao gazety, dia maro ireo mpamily taxi-be no nakan'ny polisin'ny FIP mandamina ny fifamoivoizana vola 40.000Ar isany satria nanao taingim-be. Ny fanazavana azo tamin'izany dia ny hoe : droit de fourrière no antony nangalana ireo vola ireo. Araka ny filazan'ireo mpitatitra anefa, tsy nampidirina fourrière akory  ireo fiara ireo fa nalaina fotsiny ny vola.





Décentralisation
Flou autour des budgets régionaux
Le conseil régional devrait procéder prochainement à l'adoption du budget. Des dirigeants régionaux n'ont pas bien saisi la consigne.
Les règles du jeu ne sont pas claires. Des responsables au niveau des régions se contredisent au sujet de la tenue de la session budgétaire du conseil régional, cette année. Fidy Ratsimbazafy, chef de région d'Analamanga, avance que cette réunion est en attente. Il évoque une raison technique à l'origine de cette mesure qui concerne, selon ses explications, les 22 régions. « Le ministère de la Décentralisation
devrait sortir un texte relatif au budget régional avant que la session budgétaire du conseil régional ne se tienne », a-t-il précisé, lundi, au téléphone.
Une déclaration qui ressemble à celle du président du conseil
régional d'Analamanga, Tantely Ranoelijaona. Cet ancien délégué au maire du cinquième arrondissement de la capitale soutient qu'après le feu vert du ministère, le chef de région remettra sa proposition de budget au conseil régional. « Le conseil régional approuve le budget de la région pour sa mise en oeuvre », a-t-il soutenu.
Fiscalité locale
De son côté, Hubert Rakotondrazaka, chef de région de l'Itasy se montre surpris par les propos de son homologue d'Analamanga. Il se réfère aux dispositions en vigueur pour affirmer que la session budgétaire du conseil régional aura lieu mi-novembre. « La tenue de cette session n'est pas soumise à d'autres conditions », a-t-il affirmé avant hier.
Un proche collaborateur d'Hubert Rakotondrazaka annonce la tenue prochaine d'une réunion extraordinaire du conseil régional d'Itasy. Mais cela ne se rapporte pas au budget de la région.
Le directeur général de la Décentralisation au ministère de l'Intérieur et de la décentralisation, Guy Rivo Randrianarisoa, quant à lui, soutient que l'adoption du budget régional ne dépendra cette année d'aucune nouvelle disposition. Il confie, pourtant, que la mise en place d'une loi sur la fiscalité locale est en vue. Mais avant son entrée en vigueur, un texte sur la matière va intégrer le code général des impôts. Ceux qui se chargent de l'élaboration du budget régional devraient s'inspirer de ces dispositions textuelles.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Dahalo dimy matin'ny zandary. Nifampitàna tao Betroka afak'omaly, ny zandary sy ireo dahalo nitam-piadiana. Vokany : dahalo dimy lahy no indray ripaka teo no ho eo. Azo avokoa vokatr'izany ny basy kalaky sy basim-borona nampiasainy. Efa mpampahory ny mponina any an-toerana ireto andian-dahalo ireto.
Jiolahy 5 tratra nangalatra solika. Nidiran'ny jiolahy an-keriny mihitsy, ny harivan'ny alatsinainy teo, nangalarany solika, ny tobin'ny orinasa Colas ao Ambokatra carrière, fokontany Antananambo, kaominin'i Fanandrahana. Gazoala efa ho 125 litatra tany no saika naripak'izy ireo. Ny mpiambina ny orinasa no nahatratra azy ireo ka nampandre ny zandary.
Dahalo iray maty voatifitra. Ombin'olona 40 teo no naripak'ireto dahalo roa tao Mandrosoarivo, kaominin'i Beravina any amin'iny distrikan'i Morafenobe iny, ny volana jona teo. Niaka-tanàna indray izy ireo ny 20 septambra teo, ka tonga dia niantso ny zandary ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka ny iray maty voatifitra ary ilay faharoa naratra.
Nangonin'i




Soanierana Ivongo - Sainte Marie
Tsy navela niasa ny lakana haingam-pandeha
Nihitsoka ny fitaterana mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy ny nosy Sainte Marie, omaly maraina ka saika niteraka savorovoro tany Sainte Marie mihitsy. Tsy nisy niasa ny lakana haingam-pandeha noho ny filazana ofisialy navoakan'ny kaominina Soanierana Ivongo. Voalaza tamin'io fanambarana io fa tsy mahazo mampiasa ny fitaterana olona ireo lakana haingam-pandeha. Ny fivezivezen'ireo lakana haingam-pandeha amin'ny faritra iadidian'ny kaominina Soanierana Ivongo no voakasiky ny fanambarana, ka noho izany dia niato ny fitaterana.
Raha ireo mpandeha saika hiainga tao Sainte Marie fotsiny dia mahatratra 100 eo ho eo. Maro amin'ireo olona ireo no manan-draharaha maika hovonjena, teo koa ireo mpizaha tany izay voafetra ihany ny fijanonany any an-toerana sy eto Madagasikara. Nisy ihany koa ireo mpandeha niainga avy eny Soanierana Ivongo no tavela ka niandry vasioka fotsiny.
Omaly maraina ihany anefa dia voarain'ny minisitry ny fitaterana ny fisehoan-javatra ka nisy ny fepetra noraisina avy hatrany. Nomena alalana avy hatrany ireo lakana haingam-pandeha, ka afaka nanao ny asany na dia tara aza. Araka ny vaovao azo moa dia nanambara ny minisitra fa raha resaka hetra tsy voaloa, araka ny voalaza fa fototry ny olana, dia azo ifampiresahana izany, fa tsy nampiatoana ny fifamoivoizana. Voalaza tokoa moa fa nisy ny ampahana hetra mbola tsy voaloan'ireo mpampiasa lakana haingam-pandeha ka nahatonga ny kaominina nandray fanapahan-kevitra hentitra.




Mahajanga * Fanadinana BEPC 2008
Misy laza adina miparitaka sahady
Inona indray ity ? Io no fanontaniana mipetraka amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpianatra ao Mahajanga, raha nahita karazana laza adina BEPC sahady nipariotaka tany antoerana ny alatsinainy sy talata lasa teo. Tsy hay mazava, na laza adiny avy aiza izy io na avy aiza, fa dia roboka nijery sy naka sopapa tamin'io ny ankamaroan'ny ankizy hanala fanadinana BEPC 2008. Dia ho sanatria ve hoy ny mpitazana, dia hisy mpamosavy malemy hamotika ny ho avin'ny ankizy toy ny hita taona vitsy lasa izay ? Miantso ny tompon'andraikitra isan-karazany ny mponina mba hijery haingana izao tarehin-javatra izao, satria ny ho avin'ny ankizy mihitsy no potika amin'ity lazana adina tsy fatam-piavina niparitaka tany Mahajanga ity. Mahavoan'ny sazy lamandy sy fampidirana antranomaizina ny famoahana laza adina mialohan'ny fotoana. Raha ohatra indray, ka laza adina avy amin'ny sekoly isan-karazany, izay hanaovan'ny mpianatra cours dia hafa izay. Tsy vitsy no mamoaka laza adiny ireny mpianatra ireny, izay fikarohana manokana ataon'ny mpampianatra ao aminy. Tsy vitsy no nahazo tombontsoa tamin'izany, indrindra fa ny mpianatra. Maro ny mpanabe nahiditra am-ponja voakatry ny famarotana laza adina tamin'ny mpianatra iny taona lasa iny, ary ny hirariana dia ny tsy hiverenan'ny toe-javatra mampalahelo tahaka ireny, satria ar 500 monja no nidirana am-ponja, vidin'ny laza adina iray.




Fizahan-tany eto Madagasikara
Mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy
Kolokoloy, fa hampiditra vola vahiny betsaka ny vakoka Malagasy. Isan'ny toerana tsara, ary mahaliana ny maro na avy eto antoerana na ny vahiny ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara. Raha tsy hiteny afa-tsy ny Rovan'Ambohimanga sy ny rovan'Ambohidratrimo isika. Maro ny vahiny no tonga mitsidika ireny.
Mazana anefa dia tsy ampy ny fikolokoloana ireo vakoka malagasy mbola mijoro. Toy izany koa ireo toerana azo tsidihana na hialana voly toy ny eny Mantasoa sy Ampefy, raha ny manodidina ny renivohitra no asian-teny. Tsapan'ny vahiny mandalo tsara izany, ka tsy ho gaga isika raha maro amin'ny toerana hivantanan'ny mpizahan-tany no vazaha no mitantanana izany. Hain'ny vazaha ve tsy ho haintsika ? Raha ny hita, dia ny finihavana hanao zavatra no tsy ampy. Ny ho enti-manana ihany koa dia ilaina fikajiana tsara, fa raha tsy izany, dia ho faty antoka no hita. Isan'ny faritra tena mampidim-bola ny halan-javabohary maro eto Madagasikara. biby sy toerana mbola tsy fahita firy any ivelany no hita any main'ireny faritra ireny. Mazava ho azy, fa ny trano fandraisam-bahiny ho azy ireo, dia atao manaram-penitra. Arakaraky ny kalitao omena azy ireny ny vola miditra amintsika.
Fahatsiarovana tsy hay kosehina ho an'ny mpizahan-tany vahiny ny fahitana ireo harentsika ireo. Mila fitandremana ihany anefa ny fidiran'ny vahiny eto amin'ny tontolon'ny fahasalamana sy ny fiarovana ireo harentsika ireo. Tsy vitsy ny manondrana antsokosoko ireny harenstika ireny, toy ny sokatra, bibilava sy ny tarondro sns...
Ankoatry io, dia trandrahan-dry zareo koa ny zaza malagasy, ka ireny hiarahana mahita ireny ny fanolanana etsy sy eroa. Isan'ny mampihanaka ny SIDA haingana io. Na dia hambara ho firenena ho mahantra aza i Madagasikara, dia aoka ny voninahitry ny tena tsy ho atakalo vola.
Fa isan'ny tombony lehibe ho antsika kosa ankoatry ny vola vahiny miditra, dia ny fitiavan'izy ireny ny asa-tanana malagasy. Izy ireny no tena hiveloman'ny mpahay ity asa-tanana ity, satria ny hita dia tsy rototra amin'ny vita malagasy ny gasy. Soa fa teo ny vahiny. Hatreto dia mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy, koa izay no ilana fametrahana ny soa toavina malagasy, mba ho firenena maha-tamana, fa tsy ho fanariana ny maloton'ny sasany ny firenentsika.




Mihetsika ny CRN
Any Vohemara i Zafy Albert sy ny tariny
Tsy mijanona hatreo ny tolona. Lasa nitsidika vahoaka any Vohemara indray ny Profesora Zafy Albert, miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny CRN. Fijerena ifony ny fahoriam-bahoaka no anton'izao fitetezam-paritra izao. Efa nandalo tany Sambava ihany koa ry zareo araky ny voalazan'ny mpikambana ao amin'ity CRN ity.
Ankoatry io, dia mametraka amin'ny vahoaka izay lalovany izy ireo, ny tokony hirantsika ao anatin'ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita. Heno hatrany ny filazan'izy ireo, fa fitondrana jadona no misy eto, ka tsy mijery ny tena fahasahiranam-bahoaka misy ankehitriny, ka tsy ho gaga hoy izy ireo, raha izao sisa no toerana misy an'i Madagasikara.




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no anambaranay ny fodiamandrin'
Tamin'ny Talata 10 Jona 2008 teo amin'ny faha-45 taonany tany Vondrozo.
Hoy :
Ny vadiny :
RANDRIAMAHAROSOA Eliane
Ny zanany :
RANDRIAMAHAROSOA Sitraky Ny Aina Joëlle
Ny rafozany :
RASOARIMANANA Adeline
Ny iray tampo aminy :
Ny terak'Itpkl. RASOLOMANANA Alphonse
Ny terak'Itpkl. RANDRIAMAHADIMANANA Jean François Régis
RAFALIMANANA Evariste mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAHARISON Jean Louis mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOMALALA Raymond mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAZAFINDRATSIMBA Claude mivady sy ny zanany
RABENOROSOA Duval mivady sy ny zanany
RASOAMIHAJARISOA Vololoniaina sy ny zanany
ANDRIAMANANTENA Benjamina mivady sy ny zanany
RANDRIANARISOA Philibert mivady sy ny zanany
RASOAMAMPIONONA Julie Colette sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RAMANANDRAISOA Edmond mivady sy ny zanany
RAVALISON Julien mivady sy ny zanany
RAHARISON Faly Ernest mivady sy ny zanany
RABARISON Patrice mivady sy ny zanany
Ny fianakaviana manontolo
Ny Tale sy ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny orinasa SOMEAH-Ankadivato
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ankorombe Kristy Fahazavana
Ny Fikambanan'ny Diakona sy ny Loholona FJKM Ankorombe Kristy Fahazavana
Ny Fiangonana EKAR Masindahy Joseph Ankorombe
Ny Fokontany sy ny Fokonolona Andrefan' Ilafy
Ny Fokontany sy ny Fokonolona Ankorombe
Ny razana dia ho tonga ao an-tranony ao Andrefan'Ilafy, Lot I C 205, atsinanan'ny terminus 192 ny alin'ny Alakamisy 12 Jona 2008 , ary andrasana ao hatramin'ny Zoma 13 Jona 2008 . Hoentina any an-tranony any Ankorombe - Ambohitrolomahitsy ny Sabotsy 14 Jona 2008 . Hoentina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ankorombe Kristy Fahazavana ny Alahady 15 Jona 2008 amin'ny 1 ora tolak'andro alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ankorombe ihany.
« Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondra tena ».
(Jeremia 49 : 11)




Fanambarana
Tsy misy izany « Fuite de Sujet » izany ny laza adina BEPC 2008
Manoloana ny lahatsoratra izay nivoaka tao amin'ny Gazety Inona no Vaovao laharana faha-93 tamin'ny alakamisy 12 jona 2008, pejy 1 sy faha-6, mitondra ny lohateny hoe « Fanadinana BEPC : Miparitaka eran'ny tanàna ny laza adina », ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, taorian'ny fanadihadiana izay nataony, dia mitondra izao fanazavana manaraka izao :
1. Momba ny laza adina voalaza fa miparitaka any Mahajanga. Tena vaovao tsy marina io.
Toy ny fanaon'ny sekoly rehetra miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana isan-taona, mba ho fanomanana ny fanadinana BEPC/ Seconde, dia manatanteraka fanadinana andrana na « BEPC blanc » ny sekoly rehetra manerana ny nosy. Misy « laza adina andrana » amboarin'ireo mpampianatra any amin'ireny sekoly samihafa ireny. Tany Mahajanaga manokana dia nisy olona nanao dika mitovy marobe an'ireny laza adina andrana ireny ka nanaparitaka izany sady nilaza fa io no laza adina tena izy.
Ary dia io ihany koa no taterin'ny mpanao gazety nilazany fa miparitaka any Mahajanga amin'izao fotoana izao ny laza adina BEPC.
2. Momba ny laza adina BEPC/Seconde 2008
Efa vita tanteraka ankehitriny ny fanomanana ny laza adina 2008. Mbola eto Antananarivo daholo ireo laza adina irao ary ambenan'ny mpitandro filaminana any amin'ny toerana manokana. Miandry ny fotoana anapariahana azy.
Entitra dia entitra ny fanarahamaso amin'ny fiambenana irao laza adina ireo mba tsy hisian'ny « Fuite ».
Koa antitranterinay etoana fa tsy marina velively ny filazana fa miparitaka any Mahajanga ny laza adina ho an'ny fanadinana BEPC/Seconde amin'ity taom-pianarana ity.
3. Mampitony ny sainareo mpiadina, ray aman-dreny, mpampianatra ny ministera fa manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany ny tomponan'andraikitra isan' ambaratonga mba hahafeno ny fepetra rehetra ho fitazonana ny tsiambaratelon'ny laza adina.
4. Aoka isika tsy ho voarebirebin'ny mpanararaotra ka halaim-panahy hividy laza adina sandoka.
5. Mampirisika anareo mpianatra rehetra hifikitra hatrany amin'ny fahamarinana sy hifantoka ary hilofo amin'ny fanomanana ny fanadinana. Dia mirary soa ho anareo mpianatra rehetra hiatrika amim-pahatoniana ny fanadinana BEPC/Seconde 2008.




NOSY BE
14 taona dia efa mivaro-tena
Zazavavy kely vao 14 taona dia efa mivaro-tena ao Nosy Be. Tsy misy fahamenarana intsony. Tsy misy fepetra matotra rahateo raisin'ny tompon'andraikitra ao an-toerana.
Mahakivy ny mijery ny fiainan'ny mponina ao Nosy Be. Vitsy ny olona tena manana anton'asa, zara raha misy mpianatra any an-tsekoly. Mampalahelo ny fahitana zazavavy kely, mivaro-tena, misarangotra vazaha isan'alina. Voatavo tsy mifandraka tokoa satria misy vao 14 taona monja. Fa ny tena mahavariana dia ny valintenin'izy ireo rehefa anontaniana ny antony hanaovany io asa io. « Mila vola hanaovana bazary izahay, io no loharanom-bola aingana indrindra », hoy ny famaliny.
Manano jaloky !
Mamporisika hivaro-tena daholo na ny ray aman-dreny , eny fa na ny vady aza. Zary lasa fomban'ny lehilahy ao an-tanàna ny manatitra ny vadiny, na ny sakaizany eny amin'ny « bar ». « tsy olana aminay ny andehanan'ny vadinay mivaro-tena satria maro aminay no tsy manana asa ». Lasa fitaovana tanteraka ny vehivavy, saingy tsy misy mitaraina. Marina fa tsy misy asa ao an-toerana, saingy voamarika fa malaina ihany koa ny mponina. Mahamenatra azy ireo ny mamboly sy miompy, kanefa ny fari-pahaizana tsy lasa lavitra loatra. Ny « business » ihany no mahaliana ny olona.
Aiza Ra-fanjakana ?
Mpizahatany 1000 isan-kerinandro farafaha-keliny no mitsidika an'i Nosy Be. Mitobaka ny vola vahiny, ary roboka tanteraka ny mponina. Ireo vahiny koa manararaotra satria gaboraraka ny fampiharana ny lalàna. Fanapahan-kevitra farany noraisin'ny tompon'andraikitra any an-toerana, volana vitsivitsy izao, ny fanidina ny « bar » amin'ny 12 ora alina, saingy misokatra foana kosa ny trano fandihizana. Tsy misy fisavana karapanondro, afaka misotro zava-pisotro misy alikaola daholo na ny kely na ny lehibe. Manodidina ny 50 euros ny saran'ny fivarotan-tena, araka ny fanazavan'ireo zazavavin'ny alina. Saingy rehefa tsy mandeha ny varotra, dia misy manaiky na sarana fahana finday ihany aza.
Mi.R




Ahiahy tsy hiavanana
Mitohy ny fiofanana ataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin'ny faritra. Ny ben'ny tanàna no tena hifantohan'io fiofanana io, ary eo ihany koa ireo tompon'andraikitra isan-karazany toy ny mpitandro ny filaminana izay heverina fa tsy afa-misaraka amin'ny asa fampandrosoana eny anivon'ny faritra sy ny kaominina eny. Tsara ny fiofanana, satria fianarana hatrany ny fiainana, ary tsy nisy nateraka ahay hatrany ankibon-dreniny. Ny maika ny any ambanivolo, dia ny fametrahana ny barazy mba ahazoany rano manondraka ny velaran-tany maro hambolena toy ny vary sy ny hanikotrana maro samihafa. Ny tsy fisian'io no fototry ny tsy fahampian-tsakafo eto, satria ritra ny rano hanamando ny tany. Efa nisy ihany izy ireny tany aloha, saingy ritra sy hanirian'ny kirihitra ankehitriny, noho ny tsy fisian'ny fikojakojana. Mila vola manokana toy ny fikojakojana ny làlana izy ireny. Eo ihany koa ny fitsaboana tsy ampy sy ny rano fisotro madio. Ny fampidirana herinaratra sy ny fampianarana. Maika ireo amin'ny vahoaka, fa tsy sanatria ka zary ho haingom-boky ao anatin'ny MAP fotsiny. Mila vola be ny fametrahana ireny fotondrafitrasa ireny, raha te-ho tafavoaka amin'ny fahantrana.
Midadasika i Madagasikara, ka azo atao tsara ny mamboly amin'ireo faritra ireo, nefa mila finiavana betsaka mba tsy aina very maina ny an'ny mpandraharaha izay mamokatra ny tany. Izay no ilàna ny hanajoroana ny fikambanan'ny tantsaha hanajary ny sehatra maro eto amintsika, ary mila ampiana ara-pitaovana izay olona vonona hiasa. Ny ahiahy tsy hihavanana no hilazana ireo, sao tsy ny tena maika amin'ny vahoaka no hiantefan'ny vola avy amin'ireo mpamatsy vola mahazatra.




Port-Bergé
Sarona ny vola sandoka ar 3 tapitrisa mahery
Lehilahy miisa 3 mpanao vola sandoka no saron'ny mpitandro filaminana tao amin'ny hotely iray ao Port-Bergé, tamin'ny alarobia lasa teo. Sarona tamin'izy 3 lahy ny fitaovana fanaovany ny vola sandoka, toy ny loko mena sy manga, alikaola ary fitaovana madinidinika samihafa. Vola sandoka ar 10.000, mitotaly ar 3.138.000 no mbola tavela tamin'izy 3 lahy. Nanamafy ny maha jiolahy raindahiny azy ireto koa ny nahasaronana basy « PA » miisa 4 be izao, miaraka amin'ny bala mahafaty miisa 4.
Niaiky ny asa ratsy fanaony izy 3 lahy, ary araka ny fanadihadiana dia efa an-taonany maro no nanao io asa io ry zalahy. Azo antoka izany fa efa maro ny vola sandoka miparitaka any an-toerana. Maro mantsy no efa nahita ireto mpanao vola sandoka ireto nivezivezy tao Port-Bergé sy ny manodidina, saingy tamin'ity farany ity vao nisy sahy niantso mpitandro filaminana. Ny tompon'ny hotely nipetrahan-dry zalahy moa dia voalaza fa tsy nahalala na inona na inona, ary nandray azy ireo noho ny fandoavany vola ara-dalàna. Teo koa anefa ity tompon'ny hotely vao nijery ny volany ka nahatsikaritra fa nisy sandoka tokoa ireo vola tao aminy.
Omaly alakamisy no natolotra ny fitsarana izy 3 lahy ireto. Heloka maro ny hiampangana azy ireto, ka raha ny lalàna voasoratra amin'ny vola malagasy dia manambara fa « helohin'ny lalàna hiasa anterivozona mandrampahafaty ny mpanao vola sandoka ». Mbola eo koa anefa ny fiampangana azy ireto noho ny fitazonany fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana.




Antsirabe faharoa * Ambohitsimanova
Lonilony niteraka vono sy hain-trano
Olona telo tsy nahatsiaro tena, ny trano may : io no vokatrin'ny lonilonim-pianakaviana niseho tao amin'ny tanàna iray tao amin'ny commune ambanivohitr'Ambohitsimanova anatin'ny distrikan'Antsirabe faharoa.
Asa ity nahazo ity raim-pianakaviana iray tao Ambohitsimanova fantatra amin'ny anaram-bositra hoe « Naivokaratra » fa nila vaniny tamin'ny fianakavian'ny rahalahiny iray tampo aminy ka niafara tamin'ny fandorana trano. Ny harivan'ny alahady lasa teo tokony ho tamin'ny 6 ora teo ho eo dia tonga tao antokantranon'ny rahalahiny ity farany, navoakany tao an-trano ilay rahalahiny satria kilemaina, rehefa izany dia niverina tao an-trano izy ka nodarohiny tamin'ny langilangy ny vinanton'ilay rahalahiny ka nianjera sy tsy nahatsiaro tena, avy eo norarafany tamin'ny vono isan-karazany indray ny zaobaviny izany hoe vadin'ilay rahalahiny manana kilema ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia notaritiny tany antanimbary saika hoarotsany tao anaty fotaka. Nahita izany ny zanaka vavin'ilay ramatoa ka andeha hamonjy ny reniny notatazany tamin'ny vono ihany koa, rehefa hitany fa tsy nahatsiaro tena izy telo mianaka dia niverina tao an-tokantrano izy ka nodorany ny trano. Ilay vinantolahy mbola tavela tao an-trano dia nosintomin'ny fokonolona ka afa-doza tamin'ny afo. Ora 6 taty aoriana vao nahatsiaro tena ilay lehilahy ary izy mirahavavy mianaka kosa dia tsaboina eto amin'ny hopitaly be Antsirabe amin'izao fotoana izao, INaivokaratra kosa dia eo ampikarohana azy ny zandary fa tsy hita izay nalehany.




Dadabe Monta * Herintaona tsy nisotroana toaka
Nahangona iray tapitrisa ariary
Rehefa tsy nisotro toaka nandritra ny herin-taona ity lahiantitra iray dia nahangona iray tapitrisa ariary. Gaga izahay raha nilazany fa manana ambimbava iray tapitrisa ariary i dadabe Monta noho ny tsy fisotroany toaka tao anatin'ny herintaona. Tamin'ny volana janoary 2007 izy hono no nisotro toaka farany. Nanomboka tamin'io volana io dia nangoniny daholo ny vola tokony hividianany toaka dia nanome iray tapitrisa ariary.
* Madagascar Tribune : Inona no nahatonga anao hiala tamin'ny toaka ?
Dadabe Monta : « Tadidiko tsara ny andro farany nisotroako toaka. Ny faran'ny volana janoary 2007. Rehefa avy nisotro toaka toy ny mahazatra ahy aho dia nihinana mananasy. Efa fantatro ihany fa tsy tsara miaraka ny mananasy sy ny toaka. Fa izany angamba no atao hoe fanairan'Andriamanitra fa dia nampiarahako izy roa. Ny alin'io andro nisotroko toaka farany io dia nibotsina sady lasa mafy toa ny vato ny kiboko.
Tsy mbola nijaly narary sahala amin'izany mihitsy aho. Nanomboka teo dia nivoady tsy hisotro toaka intsony aho ».
* Ahoana no hilazanao fa fanair'Andriamanitra ilay nihinananao mananasy ?
« Manana fomba maro Andriamanitra hampitana hafatra amin'ny zanak'olombelona. Ao ny famaizana, ao ny fananarana. Ho ahy manokana dia nampitondrany ny mangirifiry aho mba hafantarako fa ratsy ny toaka ».
* Ahoana no nahafahanao nanangona iray tapitrisa ariary ao anatin'ny herintaona ?
« Rehefa misotro toaka aho dia mahalany bota iray sy tapany isan'andro. Tsy mba mety lavon'ny bota izany mihitsy aho. Ny hany ahafantarana fa mamo aho dia mivorehitra menabe ny tarehiko, fa tsy mba mandrefy làlana na mandry an-tatatra izany koa. Ka kajikajio tsara fa raha isan'andro ny mandany bota iray sy tapany, dia mahatratra ohatrinona ao anaty ny taona iray ? »
Nangonin'i Manjaka hery




Mafy izany te-ho vazaha
Gasy tsy ho vazaha nahoviana. Io no heson-teny ataon'ny maro an'ireo tanora sy antitra te ho vazaha eto amin'ny tanàna. Vao mahita vazaha dia roboka ny gasy. Tsy resa-bola ihany, fa mba mizesta miaraka amin'ny vahiny e ! Na fomba fitafy na fomba firesaka, dia mitomany randrana tsy manendrika ny tena. Lokoina ny volo mba ho mena tahaka ny azy, ary raikitra ny teny vahiny, fa sao mba lasa vozongo hoy ihany izy ireny. Tsy voahaja intsony ny maha-malagasy ny tena. Toa zary henatra ho an'ny hafa izay mampiasa ny tenindrazana izany, indrindra fa rehefa vory vahoaka. Hatramin'ny zaza vao miahanatra mibada, dia tsy ny tenim-pireneny no ampianarina azy fa ny an'ny razamben'ny hafa. Ny mahagaga anefa, dia faly ery isika rehefa mahita vahiny miteny gasy, na dia manao manahoana fotsiny aza. Tehaka tsy misy toy izany. Ny hafa aza manome vahana ny antsika, fa isika kosa mba ahoana ? Tsy midika io fa tsy tokony hianatra ny fomba amam-panaon'ny vahiny isika, fa ny soa-toavina Malagasy kosa hajao.
Ho gaga ve isika raha mahita lahiantitra mamiraviravy ny zazavavy malagasy kely, satria isika koa mazana no mila raharaha. Ny vahiny ve mba mitomany ho gasy. Samia mieritreritra fa tsy ho vazaha rahoviana ianao.




Resy indray i Voninahitsy
Nampiakatra didy fandravana ny mpisolo-vava
Tsy mahita rirany i Voninahitsy. Resy teo anoloan'ny fitsarana ambony indray ny tenany omaly, ka hampiakatra ny raharaha eo anoloan'ny didy fandravana ny mpisolo vava azy. Didy efa nandrasan'ny rehetra ihany iny fanampahan-kevitry ny fitsarana iny, izay mitazona ilay sazy 4 taona antranomaizina. Firaisana tsikombakomba tamin'ny naha-vaky ny fonjan'Antanimora no niampangana azy. Nisy ny gadra afaka nandositra, ka voalaza fa ny basin'ingahy Voninahitsy no tratra tany aminy. Ny fiankavian'ingahy Voninahitsy dia nanambara fa ankivy ara-politika atao amin'ny havany izao miseho izao. Voalaza mantsy fa basy efa very efa ela ity tratra tany amin'ireto gadra nandositra ireto.




Fanadinana CEPE 2008
Nanome tsodrano ny filoham-pirenena
Hafatra avy amin'ny filoham-pirenena malagasy no nampitain'ny praiminisitra Rabemananjara Charles, dia ny firarian-tsoa ho an'ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahana amin'ny faha 16 jona izao. Ny EPP Anosibe no nofidian'ny governemanta nampitàna izany firariantsoa izany, omaly zoma maraina, ka tonga teny an-toerana ny tenany nanambara izany.
Miisa 400 mianadahy ireo mpianatry ny EPP Anosibe hiatrika ny fanadinana CEPE. Notoloran'ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana entina hiatrika fanadinana ireo mpianatra miisa 400 ireo. Nanolotra « biscuit » mampatanjaka tamin'ny alalan'ny ONN ihany koa ireto delegasiona ireto. Voamarika fa « biscuit » misy vitamina sy kalsiôma no nozaraina, tamin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny ONN amin'ny orinasa JB.
Ny mpianatry ny EPP moa dia miisa 2383 beazin'ny mpampianatra miisa 41 ka ny 13 no karamain'ny FRAM izay samy eo ambany fitarihan'ny talen'ny sekoly, ramatoa Razanamampionona Florine.
Ny kabarin'ny praiminisitra kosa no nahafantarana fa nitombo ny isan'ny ankizy hanala fanadinana CEPE manerana an'i Madagasikara amin'ity taona ity, izay mahatratra 448348, raha 368637 tamin'ny taona 2007. Kendrena hoy ny praiminisitra ny hiakaran'ny taham-pahafahana, raha 60% izany tamin'ny herintaona.
Fantatra ihany koa fa miisa 26840 ny mpianatra hiatrika CEPE eto amin'ny farimpiadidiampampianarana Antananarivo renivohitra. Miisa 21719 kosa ireo mpianatra hiatrika BEPC, eto Antananarivo ihany.




Mitabe tsy lanin'ny fahantrana
Misokatra ny varavarana ho an'ny olona tsara sitrapo rehetra. Ny finiavana hanao asa ho an'ny tanindrazana no tian'ny filoham-pirenena apetraka, ary tsy voatery ao anaty fitondrana vao afaka hiasa ho an'ny firenena. Teny efa fandre matetika io amin'ny antso nataon'ny filoha ankehitriny manoloana ny mpanohitra eto Madagasikara.
Hatramin'izao anefa dia mbola mihenjan-droa ny tady eo amin'ny andaniny sy ny ankilany, na dia hita aza fa samy te-hametraka ny hambom-pony anjorom-bala fa ny fampandrosoana ho an'ny tanindrazana no hifantohan'ny saina.
Vita iny ny laha-dinika nataon'ny fanjakana tamin'ny mpandraharaha vahiny sy ireo mpamatsy vola mahazatra. Nirarakompana ny dolara amin'ny fangatahana nataon-dRavalo entina hanatanterahina ny MAP. Misokatra eran'izao tontolo izao i Madagasikara, ary hita ho tena manga ny lanitra amin'ireo firenena vahiny ireo. Ny mampalahelo anefa, dia isika mianakavy indray no mifandripaka am-pitoerana eto.
Ny mpanohitra miantso fifampidinihana maika, ny mpitondra koa etsy ankilany manao antso amin'io fifanantonana io. Aiza no sakana tsy hahatafitan'ny fifanantonana ? Samy manana ny hevitra tsara avoakany ny andaniny sy ny ankilany, ary tsy azo lavina ihany koa fa misy ny hevitra ataingina izay tsy mahasoa. Nahoana no tsy atambatra ilay mitabe tsy lanin'ny fahantrana, raha tena ao amintsika mianakavy ny finiavana hanao zavatra. Tsy voatery ho fizarana seza, fa andraikitra no atao. Sa rehefa tsy mitovy firehana dia fahavalo ? Tsy hisy firenena tsy ho vanona raha miaina ao anatin'ny filaminana, izay no ilana ny hifanantonan'ny hery velona rehetra satria ny asa no maika fa tsy ny korontana.




Zotra taxibe 183
Tsy mahay manaja mpanjifa
Ireo mpandeha amin'iny làlana Ambatobe - Anosy- Ambatobe iny, mandalo Analamahitsy na 67 ha, dia efa mahafantatra tsara fa ny zotra 183 no zotra tsara andehanana raha toa ka maika hamonjy toeram-piasana na fianarana. Izany hoe amin'ny 6 ora hatramin'ny 6ora sy sasany maraina. Ankoatra izay kosa, dia aleo mamonjy zotra hafa mihitsy, satria manao ny sitrapony, araka izay tiany ireo mpamily sy resevera. Fa inty kosa indray zavatra hafa tsy nampoizina no nafitsony, ny andron'ny sabotsy lasa teo fotsiny.
« Mandehana zotra hafa »
Niangavy tsotra ilay mpandeha : « Aza ampiresahanao intsony ny mpamily r'ingahy (mipetraka eo akaikin'ny mpamily), fa indro taxibe 183 anankiroa izao no samy nisongona antsika avokoa, satria variana loatra izy ». Valinteny tsotra ihany koa no azony : « Maninona no tsy zotra hafa no nandehananao ? »
Adiny iray be izao no nandehanana, niala teo Analamahitsy Cité hatreo amin'ny « parking » 67 Ha, ary ny andro amin'io amin'ny sivy ora maraina. Tsy misy fitohanana mihitsy ary ny andro tsy avy orana.
« Aza fetsifetsy » hoy izy
Tsy maintsy hody moa, ka dia zotra 183 ihany indray, io hariva io ihany, no noraisin'ity mpandeha ity ihany koa.
Hody eny Analamahitsy izy, ary nandray fiara teo Anosikely. « Tsy mety, hoy ilay resevera, nampian'ilay mpamily. Aza fetsifetsy, fa eo Ankazomanga no farany. Avy eo indray mandray fiara. » Notsiahivin'ilay mpandeha moa ny nomeraony : 2971 TS.
Araka ny filazan'ilay mpamily, dia vao « aller » hono izy amin'io fotoana io. Ilay resevera kosa indray nanambara fa vao haka « papiers ». Inona no marina, tsy fantatra, fa azon'ilay mpanjifa kosa ny hevitr'izy ireo : hampandoa saran-dàlana indroa. Tsy vao izao ny zotra taxibe (tsy ny 183 ihany) no mihevitra ny mpanjifa ho tsy afa-miala aminy ka hanaovany hevitra ataingina toy izao.
Aiza ny « cahier de charges »
Ity zotra 183 ity no antsoina amin'ilay hoe « itinéraire bouclée », izany hoe avy hatrany dia mitohy ny diany, mandrapahatongany any Ambatobe. Rehefa olona afaka mandoa Ar 300 dia afa-mitaingina azy avokoa. Tsy voafetra ny halavan'ny làlana indramany ny fiara, toy izany koa ny fiara, tsy voafetra ny toerana andraisany na analany mpandeha.
Matetika ny hariva fodiana indrindra no ampiharan'izy ireo ity « lalàna » azy manokana ity. « Tapahany » roa ny lalana, ka dia voatery mandoa saran-dàlana indroa ny mpitaingina. Sao miandry « fampitandremana an-keriny » azy ireo indray aza izy ireo ?




Mivavaha ho an'ny ray amandreninao, ny mpiray tampo aminao ary ny fianakaviana rehetra.




Izay mahavangivangy tian-kavana
Nahazo izay niriany avokoa ny faritra izay nolalovan'ny filoha Ravalomanana. Tsapa io raha nanao fitsidihana tany amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny ny tenany. Fangatahana nataon'ireo lehiben'ny faritra dimy tany an-toerana, izay tsy nisy nolaviny fa ho azony izay niriany hampandrosoana ny faritra.
Raha mahita izany ny maro, dia mba maniry ny hitsidihan'ny filoha ny faritra misy azy ny rehetra. Hita taratra fa misy asa mivaingana vita vetivety isaky ny faritra lalovany. Midika ve izany fa miandry ny filoha handalo ny faritra vao misy asa mivaingana ? Izay mahavangivangy tokoa tian-kavana, ary hita fa tsy mamela ny faritra ho irery ny filoha fa midina ifotony mijery sy manampy izay lalovany. Dia iza indray no faritra ahazo ny anjarany manaraka ?




Anosibe Mandrangobato II
Zava-maneno manakotaba fiaraha-monina
Samy manao izay saim-pantany ireo olona manana zava-maneno ka entina manakotaba fiaraha-monina na dia fantatra izao aza fa misy lalàna mandrara izany. Nandritra ny herinandro teo izay no namoahan'ity mpivarotra fanaka iray ny zava-manenony eo amoron'ny arabe. Mitatatata tsy ifandrenesana izany mandritra ny tontolo andro, na elanelan'andro na alahady.
Maro no manao ity fihetsika manafintohina ny mpiara-monina ity saingy ity eo amin'ny fokontany Mandrangobato II etsy Anosibe ity dia fanahy iniana mihitsy. Mivarotra fanaka eo amoron'ny arabe ny tompon'ny zava-maneno. Avoakany eo avokoa ny karazana zava-manenony ao an-trano ao ary arantiranty. Tsy ankiiato ny hira mavesatra. Ny mahasorena mantsy dia ny fisehoan'ity olona ity ho manana « maneno » tena raitra, nefa mibarareoka mankaleo ny mihaino azy. Etsy andaniny dia toerana tsy fandalovan'ny olona hividy fanaka mihitsy no ametrahana ny entana. Saronany labasy hatramin'ny arabe, sady mibahana aok'izany.
Tsy nohenoina ny tenin'ny sefo fokontany
Tamin'ny alahady teo moa dia nandefa ny zava-manenon'ity olona ity vao maraina. Taitra ny manodidina ka niantso ny lehiben'ny fokontany. Tsy nahazo alalana ireo hoy ny sefo fokontany ka aleo ho teneniko. Taorian'ny nitenenan'ny sefo fokontany azy dia nahena kely ny feo. Minitra vitsy taorian'izay dia injay indray ny tabataba, arahana antsoantso amin'ny « micro ». Nahazo alalana tamin'ny sefo fokontany angamba ry zalahy ka nanamafy ny feo.
Nitohy izany hatramin'ny omaly alatsinainy, ary azo antoka fa hanakotaba eo foana io raha tsy handraisana fepetra. Fantatry ny vahoaka ny lalàna. Voalohany dia tsy ara-dalàna ny fivarotana ireo fanaka eo amin'ny arabe. Faharoa dia manohintohina ny fiaraha-monina ny zava-maneno mafy sady ratsy feo.
Voakotaba ny mpanao fanadinana
Anisan'ny velon-taraina amin'izao ireo mpianatra nanao fanadinana CEPE sy hanao fanadinana BEPC. Ao anatin'ny famerenana lesona indrindra izao satria ankatoky ny fanadinana. Etsy andaniny dia maro ny olona mitaiza kely eo amin'ny manodidina ity toerana ity izay marihana moa fa fivarotan-kazo, sady mpandrafitra. Tsy ilaozan'ny olona tsy salama koa any antokantrano any, ary betsaka rahateo ny olona miasa amin'ny alina ka amin'ny antoandro vao mba afaka matory. Tsy eritreretin'ity mpanana ity anefa izany.
Ny sefo fokontany moa toa mahalala tsara izany lalàna izany saingy tsy fantatra izay fifanarahany any ambadika any. Dia mbola antsoina eto ny manampahefana mba hampianatra ny olona hahay hiaina eo anivon'izany fiaraha-monina izany.




Baolina kitra Malagasy
Tery ny lalan-kizoran'ny omby masiaka
Vita ny lalao mandroso, ny miverina sisa fanantenana. Kivy tanteraka ny mpitia baolina kitra Malagasy mahita ny korontan-dava eo amin'ity kitra Malagasy ity. Ekena fa tsy mbola resy isika, fa ny ady sahala lava ity tsy midika ho fahombiazana. Hita taratra aloha hatreto, fa mbola navotan'ny mpitsara hatrany isika, na tany Botswana na tetsy Mahamasina. Toa tsy mahita ny lalan-kivoahana ny mpilalaontsika, ka dia nahilika any amin'ny mpanazatra ny tsy fahombiazana rehetra. Tompon'andraikitra tsy afa-miala amin'izany anefa ny federasiona na toy inona fialany bala momba iny tsy fahombiazana teto amin'ny tanin'ny tena iny. Tery ny lalan-kizoran'ny omby masiaka hatreto, satria any an-tanin'olona avokoa ireo lalao miverina ho ataon-tsika.
Mahamenatra ny nahita ny ady an-trano tetsy Mahamasina ny alahady raha vao hanomboka ny lalao. Toa mitombina ihany ny fijerin'ny maro tamin'ny nandravana ny federasiona farany teo, mba ahaizantsika mijery ifotony sy manatsara ireo hoavin'ny baolina kitra Malagasy.




Antoko Fitarikandro
Tsy mandray ny andraikiny ny FFKM
Tsy misy hery mijoro ho elanelam-panahy eto, ka izay no hijoroan'ny Fitarikandro. Lalana iray tsy azo hialana anefa io, izay hisoroana ny mety hitrangan'ny disadisa lava eto, ka vonona amin'izany ny antokoko hoy ingahy Ramarokoto Jean Aimé.
Tsy maintsy hirosoana haingana ny fametrahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana fa tsy atao am-bava fotsiny. Io no lalana ahafahana miara-miasa miaraka fa tsy hanavahana mpanao politika na hery hafa. Raha mbola mitoetra io fanavahana io dia tsy handroso ity firenena ity. Nomeny tsiny mafy ny FFKM izay toa mitongilana hatrany fa tsy mijoro ho ray aman-dreny. Isan'io ny tamin'ny taona 1991 izay niandany tamin'ny hery velona. Mbola nitohy tamin'ireny raharaha 2002. Midika io fa tsy azon'ity antoko Fitarikandro ity ny hijoroany ho mpanelanelana. Tsy mitady seza anefa izahay fa ho ray aman-dreny hampifanantona ny hery rehetra hoy ingahy Ramarokoto.




Misaotra an'Andriamanitra izahay noho ny nanomezany ny malalanay niaraka taminay nandritra ny 52 taona
nody any amin'ny Rainy ny Alahady 15 jona 2008.
Hoy ny :
Vadiny :
RAKOTONOMENJANAHARY Njiva Heliniaina (Teraka RAMIANDRISOA)
Zanany :
RAKOTONOMENJANAHARY Andiniaina Cédric
RAKOTONOMENJANAHARY Joro Fabrice
Ray aman-dreniny :
Rakotozafy Arsène mivady
Rafozany :
RAMIANDRISOA David mivady
RASOARIMANANA Noroharinjiva
Renibeny :
Rtoa RANGORISOA Louisette vady navelan'Itpkl RAZAFIMAHATRATRA
Iray tampo aminy :
Dr RAKOTONOMENJANAHARY Nirina sy Angelina ary ny zanany
RASOANOMENJANAHARY Vohanginirina sy Hery ary ny zanany
Dr RASOANOMENJANAHARY Lisy Helinirina sy Guy ary ny zanany
RAKOTONOMENJANAHARY Fanomezantsoa sy Gisèle ary ny zanany (France)
Iray tampo amin'ny vadiny :
RAMIANDRISOA Narimanana mivady sy ny zanany
RABEMANANTSOA Andry mivady sy ny zanany
RALANTOARISON Romain Sam mivady
RAMIANDRISOA Johary
RAMIANDRISOA Narindra
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Ordre des Avocats
Ny FJKM Ankadivoribe Famonjena, FJKM Ambohinerana Fanatenana, FJKM Mahitsiarivo Avarabary, FJKM Imeritsiafindra, FJKM Ambohitritankady Fitiavana sy ny zanaka am-pielezana, FJKM Mahatsinjo Fanantenana Itasy sy ny ZAMASOI.
Ny Fokontany Mahamamba Ambohibao.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot 037D Mahamamba Ambohibao ny Zoma 20 Jona 2008 amin'ny 1 ora tolakandro ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ankadivoribe Famonjena alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ankadivoribe ihany.
« Aza malahelo ny fonareo ; minoa an'Andiamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho ».
(Jaona 14 : 1-2)




Fight against trafficking in persons
Priority over law enforcement and awareness campaigns
Madagascar has granted a Tier 1 ranking in combating trafficking in persons among Sub-Saharian African countries. Ambassador Mark Lagon, director of the Trafficking in Persons, Bureau at the State Department and James Knight, director of the East African Bureau at the State Department congratulated Madagascar on this Tier ranking, during the digital video conference since Washington, organized in the American Cultural Center, last Thursday. The 2008 Trafficking in Persons Report released by the Department of State was also launched during that conference hosted by U.S. Ambassador Niels Marquardt, many representatives of Malagasy government and organizations contributed in the fight against trafficking in persons in Madagascar.
The Department of State is required by law to submit a Report each year to the U.S. Congress on foreign governments' efforts to eliminate severe forms of trafficking in persons. This Report is the eighth annual TIP Report. It is intended to raise global awareness, to highlight efforts of the international community, and to encourage foreign governments to take effective actions to counter all forms of trafficking in persons.
Sylvana Rodriguez, political officer in the US Embassy in Madagascar is willing to answer our questions related to trafficking in persons. Interview.
* Madagascar Tribune : What do the tiers of the « Trafficking in Persons Report » mean ?
Sylvana Rodriguez :
Tier 1 : Countries that fully comply with the act's minimum standards for the elimination of trafficking.
Tier 2 : Countries that do not fully comply with the minimum standards but are making significant efforts to bring themselves into compliance. Countries on Tier 2 requiring special scrutiny because of a high or significantly increasing number of victims ; failure to provide evidence of increasing efforts to combat trafficking in persons ; or an assessment as Tier 2 based on commitments to take action over the next year.
Tier 3 : Countries that neither satisfy the minimum standards nor demonstrate a significant effort to come into compliance. Countries in this tier are subject to potential non-humanitarian and non-trade sanctions.
* Could you explain more on what Madagascar has done to achieve « Tier 1 ? »
First of all, Madagascar adopted a comprehensive anti-trafficking law and significantly increased its law enforcement to combat human trafficking. Then, it took actions against government officials involved in trafficking. In 2007, the ministry of Labor released a decree listing prohibited forms of child labor and clarifying the application of the labor code to child workers. There was also a strict prosecution of sex tourists in some tourist areas. For example, the prosecution of the Swiss national and the suspension of the District Chief in Nosy Be for selling fake identity cards to minors, as well as the president of the Tribunal.
* What is the United States Embassy doing to combat trafficking in persons in Madagascar ?
The U.S. Government has taken significant actions to combat trafficking around the world. Since 2003, the US Embassy contributes in funding the International Labor Organisation-International Program for the Elimination of Child Labor (ILO/IPEC) in its projects related to prevention of child labor in Madagascar. In 2006, the embassy allocated US$ 800.000 to international and national organizations such us UNICEF, CRS (Catholic Relief Services) who are in charge of programs against trafficking in persons.
Recently, the US Embassy launched an invitation to tender for organizations intended to carry out projects on prevention of trafficking in persons, protection of victims and prosecution of human traffickers. Priority is given to the fight against child labor. An amount of US$ 4 million will be allocated to this program.
* What should be the urgent actions for Madagascar ?
« There is much to be done. Madagascar should continue its anti-trafficking efforts. The urgent actions should be the implementation of database on the state of human traficking in Madagascar. The empowerment of armed forces, including policemen and gendarmes in investigating and prosecuting instances of trafficking is also very important. In the region level, there should be an action related to law enforcement training and assistance to victims of trafficking ».
=============================
Youth's Column
This column is dedicated to young people, every Tuesday. Feel free to share us any success story, suggestion or interesting ideas or thoughts on specific subjects. You can also send us your jokes. You can mail us on andrianarynt@yahoo.fr.
Faratiana Rakotoarisoa is the first who is launching this " Youth's Column ".
" Hi ! I'm Fara and I'm an active promoter of the English language here in Madagascar. I have lived in the United States for 16 years and English is my native language. I also speak Malagasy, but you will hear the American accent in my pronunciation of some Malagasy words, for example « trondro » sounds like « tsonjo » !
After coming from the United States and spending eight years here, I have noticed that the English language has become extremely popular. To aid in the promotion of English language, I am one of the founders and leaders of the I.C.E. Club and I am on the coordinating team of the EXCELL Association. I want to share my experience from the EXCELL Association with you.
Last year, I attended Camp EXCELL, which is an American Summer Camp held in Madagascar. I can say that it was really an interesting 10 days in Majunga. The camp's focus was on Excellence in English Language and Leadership, hence the name of the association - EXCELL. I benefited most from the lessons on leadership, but I also had a great time sharing my English skills with other campers. Since all the camp's activities were in English, it was a guaranteed way for English learners to improve their rapidity in English communication.
Now I am on the coordinating team of the EXCELL Association and I am helping to organize this year's Camp EXCELL because I believe that it is an experience every English learner should profit from.
Today's leaders need to speak English and it's quite impossible to travel to the USA to learn English. So the USA has come to spend 10 days with us, by means of Camp EXCELL ! If you are interested in Camp EXCELL or would like to have more information about it, you can email excellcamp@yahoo.fr. I hope you are convinced that Camp EXCELL is a unique opportunity that you shouldn't miss ! Stay tuned to this English page for more Camp EXCELL success stories ! "
Cheers !
Fara




Mitaraina ingahy Ministra
Toa mitombona ny ahiahian'ny maro. Miraraka toy ny havandra ny vola fanampiana avy amin'ny mpamatsy vola mahazatra. Mbola ara-taratasy io, ary efa misy ny ampahany azo. Toa tsy maharaka ny asa ataontsika anefa ny vola atosak'iretsy farany eto amintsika, ka mitarazoka ny asa tokony ho atao.
Isan'ny nampitaraina ny ministry ny toe-karena io raha nanao tatitra tamin'ny loholona izy omaly. Toa misy mpanelanelana hatrany ny fahatongavan'ny vola eto amintsika. Toa tsy misy fifampitokisana izany. Efa nahatezitra ny filoha Ravalomanana io fomba fiasan'ny mpamatsy vola io tetsy Tsaralalana raha nitokana asa teny ny filoha taona vitsy lasa izay. Ny vola trosaintsika io anefa dia averina fa tsy omena fotsiny. Ekena fa tsy maintsy misy ny fepetra tokony harahina amin'ny famatsiam-bola tahaka izao, saingy isika no mitsara raha nahitana fahombiazana izany na tsia. Dia ho gaga ve isika raha maro no milaza fa manjanaka sy mitady harena ny mpamatsy vola vahiny, fa tsy mikatsaka ny hanasoa an'i Madagasikara ? Isan'ny fanehoan-kevitry ny fikambanana "Otrikafo" matetika io, ary toa omen'ny olona tsiny aza indraindray ity fikambanana ity ho miteniteny foana. Izay no hilana hienoana ny feon'ny maro, satria io naneho ny alahelony io ingahy ministra omaly manoloana itony famehezana ny vola tokony hanaovana asa eto Magagasikara itony. Dia ny vahiny hatrany ve no hibaiko ny toekarentsika vao ho tafarina ity nosy manankarena ity ? Izay no tokony hananantsika hambo amin'ny asa izay ho atao ho hitan'ny vahiny fa na misy azy na tsia dia ao amin'ny Malagasy ny finihavana hanarina ny tanindrazany.




Olana ara-tsakafo
Potika isika raha tsy mitandrina, hoy Rabetsitonta
Tsy hatsiarovanay noana na fotoana very ny raharaham-pirenena. Io no nambaran'ny loholona Rabetsitonta omaly tetsy amin'ny lapan'Anosikely. Fanazavana ny tokony ahaizantsika mamaritra dien'izao ny isian'ny tahiry ara-tsakafo toy ny vary. 3 tapitrisa taonina ny vary ilain'ny malagasy. Tokony ho ampy io, raha toa ka misy ny fitehirizana ny vokatra. apetraka ireny trano natokana hitehirizana vokatra ho an'ny tantsaha ireny. Tsy tokony hanaraka ny vidin'ny vokatra eran-tany isika fa mitady krizy ho an'ny firenena izay manao izany. Eo amin'ny volana novambra ka hatramin'ny febroary no tena hita ny fiakaran'ny vary izay tafiditra ao anatin'ny fotoanan'ny maitso ahitra. Vahaolana ny hamokarana betsaka, ary tsy tokony hianona amin'ny 2 taonina isaky ny hekitara isika, satria any Vietnama dia efa hatrany amin'ny 5 taonina vokatra azo isaky ny hekitara. Inona no sakana tsy ahavitana izany eto. Mpandraharaha ara-toekarena ingahy Rabetsitonta ka mahafantatra tsara ny vahaolana hialana amin'ity krizy mety hitranga eran-tany ity. Tsy midika akory fa ahidina ny vidin'ny vokatry ny tantsaha, fa mahalala izay heveriny fa tsy ahafaty antoka azy ny mpamboly sy ny mpiompy. Hita hatreto fa ny mpijirika no rangory fototry ny afo, izay tsy mijery afa-tsy ny tombony ho azy, ka mazana ny tantsaha tena mamokatra no tsy mety tafarina amin'ny asa izay ataony. Miandry ny tetika entin'ny fanjakana haingana isika mba hisoroana amin'ity krizy ara-tsakafo eran-tany ity, satria malalaka sy midadasika i Madagasikara, ary afaka mamokatra tsara ny vahoaka ao aminy.




Radio Antsiva
Maha be resaka
Mbola mitohy ihany ny fanatsafana sy kabary tsy valiana manodidina ny fanafoanana ny fandaharana « Morning Show » sy « Ny Marina » ary ny famakafakana mialoha ny vaovao niandraiketan'i Lalatiana Rakotondrazafy. Ity mpanao gazety ity moa dia nihanona fotsiny tamin'ny filazana mivantana fa fanapahankevitry ny Filankevi-pitantanana ireo.
Inona no tena marina ? Raha toa nisy faneriterena na tsindry haloka ka nahatonga ny sasany hilaza fa hoe kanosa ny Radio Antsiva na ny tompony dia mampieritreritra ihany. Raha ny fahafantarana io tambatra orinasa Prey io dia tsy karazan'ireny izy io. Asa aloha izay tena dikan'ny resaka hoe « politika » fa raha fiariana sy famoronana asa na fitsinjarana ny tombontsoa na ny vokatry ny orinasa dia azo lazaina fa manana ny toerany tokoa ity tambatra orinasa Prey ity.
Fomba fijery ihany ireo fa azo antoka fa tsy maintsy hanazava ny dikan'izao fiovana maha be resaka izao ny tompondraikitra vaovao na ny solontenan'ny Filankevi-pitantanana.




Zakan'ny hafa ve tsy ho zakantsika
Tafakatra 140 dolara izao ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Mihoron-koditra izao tontolo izao, satria tsy ho voafehy ny fidangan'ny vidim-piainana. Misy ny fivoriana ataon'ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin'ny G-8 izay handinihan'izy ireo izay hanampiana ny firenena mety ho saron'ny fahantrana amin'izao fidangan'ny vidin'ny solika izao. Nampetraka ny sora-bola entina hamatsiana haingana ireny firenena ireny, izay samy nanaiky ny hanaovana izany avokoa ireo minitry tafavory tany Japon. Vonona ny banky iraisam-pirenena amin'io, ary tsapa fa mitovy ny fomba fijerin'ireto firenena matanjaka eran-tany ireto ny hamatsiana haingana ireo hita fa ho tratrin'ny mosary.
Raha ho antsika eto Madagasikara manokana, dia hita fa misoko mangina toa ron-gisa ny vidin'ny nary tao anatin'ny andro vitsy monja izay. Na dia tsy mbola niakatra aza ny saran-dalana, dia efa mampihantra ny azy ny mpivarotra sasany. Tsapa anefa fa vary tahiry tao amin'izy ireny nandritra ny volana vitsy ihany ireto amidy amin'ny vidiny lafo ireto. Zakan'ny hafa ve tsy ho zakantsika hoy ny mpivarotra sasany, raha mampitaha ny vidin'ny vary any ivelany sy ny eto antoerana izy ireo.
Dia izay hatrany ve no fomba fifampitaizana eto. Tsy ho gaga isika raha mihazakazaka be ny fiakatr'io vidim-bary io, satria isika samy isika ihany no mifambotry ampitoerana eto. Ny vahoaka madinika hatrany anefa no voa amin'io, fa ny manan-katao mahavidy na iray alina ariary aza ny iray kilao.




Filaminam-bahoaka
Voaroaka ny efi-trano ny mpanao gazety
Nasaina nefa noroahina indray avy eo. Io no nahazo ny mpanao gazety saika hiatrika ny tatitra nataon'ny ministry ny Fiarovam-pirenena sy ny teo anivon'ny Polisim-pirenena misahana ny filaminam-bahoaka ny talata teo. Ny antony, dia voalaza fa saro-pady ity resaka filaminana ity, ka tsara raha hidina ho an'ny loholona sy ny ministera ihany ny varavaran'ny antenimieran-doholona io talata io. Maro ny tsiambara-telo tokony tsy hivoaka angazety, indrindra amin'izao fakana ambava manamboninahitra maro voatohitohina momba ny fanonganam-panjakana izao. Mitohy ny fakana ambavany azy ireny, izay niarahan'ny rehetra nahita fiakarany teny anivon'ny fampanohavana tetsy Anosy. Raha atao indray mijery izao fanakatonam-baravarana atao amin'ny mpanao gazety izao, dia hita fa mbola maro ny raharaha tsy milamina momba ity tontolon'ny fandriam-pahalemana ity, saingy izay ve no heverina fa hampilamina ny tany ?




Fivoriambe Afrikana
« Roso ny dia », hoy ny praiminisitra
Tamin'ny faha 17 jona no napetraka ny vato fehizoro ho fananganana ireo trano handraisana ireo Filoham-panjakana sy vahiny, hiatrika ilay fihaonana an-tampon'ny Vondrona Afrikanina amin'ny 2009 ho avy izao. « Tsy hisalasala aho hilaza fa roso ny diantsika amin'ny fandraisana izany fihaonana manan-tantara izany », hoy ny praiminisitra Rabemananjara Charles
Afaka mirehareha ny Malagasy satria manamafy hatrany ny fanohanany an'i Madagasikara ireo mpiara-miombon'antoka, na ara-bola izany, na ara-teknika ; toy izao fananganana fotodrafitrasa izao.
Notsiahivin'ny praiminisitra teto fa Villa 54 no haorina eto amin'ity toerana ity Ny Groupe AFECC (Anhui Foreign Economic Construction Group) no namatsy vola sy manatanteraka ny asa
Amin'ny volana mai 2009 no tokony ho vita ny asa rehetra Ny Malagasy no niantoka ny tany izay mahatratra 12 ha ny velarany. Manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Inoana fa mainka hanatsara ny endriny ity fihaonana an-tampony ity. Ary hampiroborobo ny fiarahantsika miasa amin'ny any ivelany.
Fa inona tokoa moa maha-zava-dehibe ny maha mpikambana an'i Madagasikara ao amin'ny Vondrona Afrikanina ?
Tsy afaka miolonolona irery isika, na dia Nosy aza, indrindra amin'izao andron'ny fanatontoloana izao. Efa mpikambana feno ao amin'ny SADC na ny Fikambanana ho fampandrosoana ireo firenena ao amin'ny faritra atsimon'i Afrika isika.
Mpikambana ihany koa ao amin'ny COMESA, izay tsena iombonan'ny firenena aty amin'ny Faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika.
Ankoatr'izay dia hihamafy ny fiaraha-miasantsika amin'ireo faritra ireo sy izao tontolo izao, amin'ny alalan'ilay fametrahana backbone international, fibre optique, miainga avy atsy Durban-Afrika Atsimo mankany Toliara.




Mila mailo amin'ity tsipoapoaka ity
Akaiky ny fety. Raikitra ny fivarotana tsipoapoaka etsy sy eroa. Saika mampiasa izany avokoa na lehibe na kely, ary fefika azy ny elakelan-trano maro eto amintsika. Misy ny lalàna napetraka hatramin'izay momba ny fivarotana itony « petara » itony, satria maro no tsy mahatanty ny fanapoahana azy etsy sy eroa. Mila mailo anefa amin'izy io, satria ny toy izao no fanararaotan'ny jiolahy amin'ny fandrobana amin'ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Mety ho tena basy no mipoaka, nefa heverin'ny maro fa tsipoapoaka ihany. Efa maro no nahita faisana tamin'izy itony ka tsy maintsy noferana ny fivrotana azy an-dalambe. Ny tsy fisian'io akory tsy manakana ny vahoaka tsy hifety, satria ny fety ao anatin'ny filaminana no tena zava-dehibe.




Ady amin'ny mosary
Ho ferana ny zaza ateraka
Mahay mitsinjo lavitra. Io no hita fa ezaka ataon'ny fanjakana raha nandre fa ho maimaim-poana manomboka izao ny fanaovana « césarienne » eny amin'ny hopitaly. Ny minisitry ny Fahasalamana no nanambara izany.
Voafetra ho telo ihany ny zaza ateraka raha miroso amin'io « césarienne » io isika. Iarahana mahita fa misy ny olona iray miteraka hatrany amin'ny 9 ny zanany. Raha samy hanao toy izany avokoa ny vahoaka 18 tapitrisa eto Madagasikara, dia mety ho firy ny isantsika afaka 10 taona ? Volabe no lany amin'ny fanaovan ity fandidiana ity, satia mahatratra 700.000 Ar. Izao anefa dia ho maimaim-poana ny fanaovana izany ho an'ny reny bevohoka. Ny minisitra Jean Louis Robinson no nitatitra io teny anoloan'ny depiote tetsy Tsimbazaza, ny alarobia teo.




Fanabeazana ny tantsaha
Tsy hijanona ho mpamboly, fa higoka harena
Miparitaka any ambanivolo rehetra any ny teknisianina manoro hevitra ny tantsaha. Ny tontolon'ny fambolena no hamokatra avo roa heny noho ny teo aloha no hita fa ataon'izy ireo.
Faly ny tantsaha fa mahazo fiofanana, mba hamokarany bebe kokoa. Ny hita anefa, dia mijanona ho mpamboly hatrany izy ireo fa tsy mba migoka ny harena. Ny antony dia tsy misy mampianatra ny fomba fitantanana izy ireny. Ny vidim-bokatra anio, azo avadika zavatra hafa ahazoana tombony betsaka rahampitso. Firy tamin'ireny tsy mba namboly na niompy ireny no tafita ankehitriny ? Antony dia hain'izy ireo ny mividy ny vokatry ny tantsaha mora, ary aondrany any antoeran-kafa na any ivelany mihitsy. Miditra ho azy ny vola vahiny, ary mividy entana avy any ivelany indray avy eo ka amidiny eto an-toerana. Inona no tsy hanaovan'ny tantsaha mivantana izany ?
Tsy ampy ny fanabeazana mipaka ifotony, ary mijanona ho mahantra hatrany ireto tena nilofo andro aman'alina. Isan'ny tarigetran'ny fanjakana ankehitriny ny hanaparitaka ny fahefana mipaka any ifotony rehetra any, ary miandrandra ny fampianarana amin'ny lafiny rehetra ny mponina ambanivolo. Raha tafapaka hatrany izany, dia azo antoka fa vetivety dia handroso ity firenana ity.




Teny an-dalàna teny
Matahotra amin'ny ho aviny ny tanora
Ilaina ny manao tomban'ezaka hoamin'ny ho avy araky ny filazan'ny manampahaizana ara-toekarena malagasy iray nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny amin'ny Anjery Manontolo omaly. Maro ireo mpianatra teny amin'ny ambaratonga ambony no nanatrika ity famelaberarana nataon'ilay manampahaizana malagasy ity. Tao aorian'ny famelabelaran-kevitra dia nisy ireo mpianatra nanontanianay mikasika ny fahitany ny hoavin'i Madagasikara afaka 10 taona. Na dia misy aza ireo manantena, dia saika manahy avokoa ny akamaroany. Indreto ny santionany amin'ny resaka nifanaovana tamin'izy ireo.
Mbolatiana, mpianatra manomana ny DEA. Ho azy dia ho sarotra ihany ny fiainana hiandry ny malagasy afaka 10 taona.
* Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny zava-misy eto Madagasikara afaka 10 taona ?
Mbolatiana : « Raha ny resaka tontolo iainana ohatra dia matahotra ihany aho amin'ireto fitrandrahana harena ankibon'ny tany eto amintsika ireto. Misy fiantraikany eo amin'ny tontolo hiainana ny fisian'ireo fitrandrahana harena ankibon'ny tany ireo. Ka raha afaka 10 taona izany, mety efa betsaka ny zavatra simba. »
* Raha ny resaka toe-karena indray dia manana fanantenana ve ianao ny hahatafarina an'i Madagasikara afaka 10 taona ?
« Sarotra amiko ny tena hametraka fanantenana raha ny zava-misy ankehitriny. Ohatry ny betsaka ihany ny mampiahiahy. »
* Raha ny fiaraha-monina indray, mety hanao ahoana ny fahitanao azy afaka 10 taona ?
« Ohatry ny manimba ny fiaraha-monina malagasy ny fahantrana. Sepotra amin'ny fitadiavam-bola ny ray aman-dreny dia manadino ny fitaizana ireo taranany. Mety hikorontana ny fiaraha-monina raha mitohy izao fahantrana izao. »
Nivo, mpianatra manomana ny DEA. Ho azy dia misy ny fanantenana fa miankina amin'ny fihetsiky ny tsirairay ny fivoaran'ny zava-misy ankehitriny.
* Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny mety hoavin'ny tontolo iainana eto Madagasikara afaka 10 taona ?
Nivo : « Io miankina ny fihetsika ataon'ny tsirairay ihany. Raha samy miezaka hanatsara sy hiaro ny tontolo iainana ny tsirairay dia hihatsara ny tontolo iainana. Raha ny mifanohitra amin'izany kosa no zava-misy dia tsy tokony ho gaga isika raha ho potika ny tontolo iainana afaka 10 taona. »
* Ary ahoana kosa ny vinavinanao mikasika ny toekarena eto Madagasikara afaka 10 taona ?
« Io mbola haveriko ihany, miankina amin'ny fandraisana anjaran'ny tsirairay. Raha samy miezaka dia misy ny fanantenana, fa raha samy miandry dia ho potika ny firenena. »
* Ary ny mety ho firafitry ny fiaraha-monina malagasy afaka 10 taona, ahoana ny mba vinavinanao ?
« Tena ho sarotra. Misy ihany ny fanantenana nefa sarotra ny tena haminavina marina. »
Fabrice, mpianatra manomana DEA ihany koa. Ho azy dia maizina ihany ny hoavin'ny Malagasy raha izao no mitohy.
* Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny tontolo hiainana mbola misy eto Madagasikara afaka 10 taona ?
Fabrice : « Tena mampanahy be ahy ny fitrandrahana ireo harena ankibon'ny tany eto Madagasikara. Tena hiteraka fahavoazana hoan'ny tontolo iainana ny fitrandrahana ireo harena akibon'ny tany ireo. »
* Ahoana kosa ny vinavinao mikasika ny hoavy ara-toekarena eto Madagasikara afaka 10 taona ?
« Izao manjaka ny vahiny, ary i Madagasikara manohy mitrosa foana. Rehefa mandeha any amin'ireny toerana misy harena ankibon'ny tany ireny ankehitriny dia maro ireo vahiny no manjakazaka. Ka noho izany dia mety hitombo ihany ny fahantran'ny malagasy. »
* Ahoana kosa ny ho firafitry ny fiaraha-monina malagasy afaka 10 taona ?
« Tena sarotra ny hanantena hoavy mamirapiratra raha izao no mitohy. »
Nangonin'i Manjakahery




Manomboka ny fety
Hifaly havanja indray ny vahoaka Malagasy fa tonga ny fety. Ho lavalava ihany no ahitana fialamboly eto Magasikara amin'ity indray mitoraka ity, satria manomboka androany, dia efa maro ny fety manerana ny kaominina eto Madagasikara. Samy tsy misy manaiky lembenana amin'izany avokoa itony kaominina itony, fa dia hita ho miezaka mampifaly ireo vahoaka ao aminy ireo ben'ny tanàna isan'isany. Tsara izany, satria fifaninana masina. Ny tsy fisian'ny vola ho enti-manana isan-tokantrano efa mahazatra iny, fa ny fo sy ny saina no hampiakarina ambony, mba ho tsy ambakan'ny hafa ny fandraisana izany fifaliana izany. Ny mampalahelo, dia maro ny tokan-trano no mbola tsy manangana ny sainam-pireneny. Tsy hoe ny saina no tsy misy, fa ny hakamoana no betsaka. Fiverenan'ny fahaleovan-tena ho antsika io hankalazaina sy hanaovana fety be io, ka tsy tokony hialangalana amin'izany ny isan-tokantrano. Sa hanaporofoina fa na ny saina kely avoaka eo andavarangana aza tsy voavidin'ny Malagasy intsony ?




Hetsiky ny tanora ao Fianarantsoa
Nihemotra indray ireo mpitarika
Mbola mamy ny miaina. any « Nifitsaka » ny mpanohitra. Taorian'ny fampidirana am-ponja mpanohitra miisa roa tao Fianarantsoa tamin'ity herinadro ity, dia tsy raikitra ilay hetsika ho fidinana andalam-be saika ho atao any amin'io faritra io.
Na dia hambara fa tsy fanonganam-panjakana aza ilay fidinana an-dalam-be saika ataon'ny tanora ao Fianarantsoa sy ny mpanohitra mialohan'ny datin'ny 26 Jiona ho avy izao, dia najanona tanteraka izy io. Ho fitakiana ny famoahana an'ingahy Pety Rakotoniaina no saika atao tamin'izany. Voalaza fa antony efatra no tsy mampitombina ny fampidirana an'ity farany any am-ponja ka isan'io no tsy fisian'ny fandriam-pahalemana intsony any Ikalamavony raha vao tsy any intsony i Pety. Ny sazy folo taona farany teo izay nosokajiana ho firaisana tsikombakomba tamin'ny Jeneraly Fidy. Hita fa tsy madio intsony i Fianarantsoa hoy ireto tanora ireto tamin'izany raha vao noesorina tamin'ny toerana i Pety fony izy ben'ny tanàna. Raha ny heno dia efa natsangana isam-pokontany ny matsilo, izay hetsika Politika avy eto andrenivohitra no nidina any an-toerana. Hatreto, dia hentitra ny mpitondra any Fianarantsoa amin'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, indrindra amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovantena izao.




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsangan'ny tena amin'ny maty, dia amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny reny malalanay :
dia nantson'ny Ray hody any aminy ny zoma 20 jona 2008 rehefa nivahiny 81 taona teto an tany.
hoy :
Ny zanany :
Terak Itompokolahy sy Itompokovavy .RATIARISOLO Honoré
LCL RAKOTOARIVELO Gilbert mivady
RASAMOELY Julien mivady
BIELLE Marlyne Holiarisoa
RAKOTOARIVELO Haja mivady
RAKOTOARIVELO Mamy mivady
Ny zafikeliny :
Nanny , Fy , Ranoro , Tahiana , Njaka sy Landy , Alain sy Haingo , Willy sy Mamie , Tojo , Laza , Rado , Harivelo sy Riana , Yves sy Sandra , Alain , Marc John sy Mamy , Nicolas sy Kerena , Malala , Mahefa sy Toky ,Rhaja , Ryana , Faniry , Injara
Ny zafikeliny :
Arohaga Dinho Aina , Tsilavo , Iriantsoa , Catichia , Ryan , Oceane ,Anny , Arnold , Enolas , Ethan , Lois ,
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo aminy vadiny
Ny fianakaviana manotolo
Ny tapaka sy namana
Ny fiangonana FJKM Rasalama Maritiora Manarinysoa Namehana
Ny fiangonana FJKM Ambohitsabiby
Ny fiangonana FJKM Ambodiala
Ny fiangonana FJKM Ambohibao
Ny fiangonana Ziona vaovao Mahajanga
Ny zanaka am-pihelezana Manarintsoa Namehana
Ny fokotany Mandrosoa Ivato
Ny fokotany Manarintsoa Namehana
Ny nofony dia hiala ao an-tranony ao Mandrosoa Ivato Lot 272 / I n&#176;1320 G (Route Lac hotel ) ny alahady 22 Jiona 2008 amin ny 1 ora tolakandro ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin ny fiangonana FJKM Rasalama Maritiora Manarintsoa Namehana alohan ny hametrahana azy ao aminy fasan-drazany ao Manarintsoa Namehana ihany.
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fiazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana ».
(II tim 4 ;7-8 a)




Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny zanany malalany :
rehefa nivahiny 60 taona teto an-tany
hoy :
Ny vadiny :
RANDRIAMANANTENASOLO Georges Xavier
Ny zanany :
Pasteur Solo sy Nivo RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Fredy sy Jeanine RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Remi sy Fanja RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Paul Raphaël sy Mamy RAZAKARIVO sy ny zanany
Pasteur Elysé sy Hanitra RASAMISON sy ny zanany
Hery sy Nivo RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Liva sy Noro RAZAFINDRATSIMBA sy ny zanany
Tovo sy Annie RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Ntsoa sy Landy RAVALISON sy ny zanany
Docteur Francis sy Seheno RABEANTOANDRO sy ny zanany
Haja RANDRIAMANANTENA
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo aminy vadiny
Ny Fiangonana FJKM Tsimahandry, Ambohidratrimo
Ny Fiangonana FJKM Ambohitrinibe - Andakana, Ambohidratrimo
Ny Fiangonana Batista Biblika, Salazamay Toamasina
Ny razana dia hiala ao an-tranony ao Tsimahandry, ny Alatsinainy 23 Jona 2008 amin'ny 12 ora sy sasany ary entina isaorana an'Andriamanitra ary atao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Tsimahandry , Ambohidratrimo ary halevina ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohitrinibe-Andakana, Ambohidratrimo.
« Jehovah no Mpiandry ahy »
(Salamo : 23 . 1)




Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny hava malalanay :
hody any aminy rehefa nivahiny 66 taona teto an-tany ny Alakamisy 19 Juin 2008.
Hoy :
Ny reniny :
ANDRIAMAHAZO Marie Louise
Ny zanany :
ANDRIAMAHAZO Nomenjanahary Miora
Ny iray tampo aminy :
ANDRIAMAHAZO Monique sy RANDRIATAVY Albert sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAHAZO Simone sy BOSSY Guy sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAHAZO Arthur Georges sy RAZAIMANANORO Josie sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAHAZO Fara sy Ny Jeneray RAHAJARIZAFY Victor sy ny zanaka aman-jafiny
Dokotera ANDRIAMAHAZO Jacques sy RAHANTAMALALA Rachel sy ny zanany
Ny zanak'Itompokolahy ANDRIAMAHAZO Germain ANDRIAMAHAZO Eric
Ny iray tampo amin'ny rainy :
Terak'ltompokolahy ANDRIAMAHAZO Marcel
Terak'ltompokovavy RAZAFINDRAKETAKA Agnès
Ny iray tampo amin'ny reniny :
Terak'ltompokolahy RAFILIBERA sy Itompokovavy RAZANABAHOAKA
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Mpiara-miasa tao amin'ny bibliothèque universitaire Antananarivo
Ny Fokontany Cité Ampefiloha, Antanivao Atsimo Antsirabe, Ankadikely llafy, Ambohidratrimo Mandritsara
Ny Fiangonana EKAR Md Vincent de Paul Ambatoniiita, EKAR Md André Ambohidratrimo.
Ny nofony dia hiala ao Ankadikely llafy, Lot AK 61 Bis Villa Rahely, ny alahady faha 22 jona 2008 amin'ny 12 ora tolakandro , ary ho entina atao veloma farany ao amin'ny fiangonana EKAR Md André Ambohidratrimo alohan'ny ametrahana azy ao amin'ny fasam-pianakaviana ao Mandritsara Ambohidratrirno ihany.
« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazaho aho ; nitahiry ny finoana aho »,
(II TIM 4 :7) Tsy misy fiaretantory




Samy tompon'ny fety...
Maresaka ny tanàna ! Toa fanomezan-dàlana malalaka ho an'izay rehetra te hanao fety. Raha ny an'ny fitondram-panjakana foibe aloha dia toa efa fomba fiasa indray ny fandefasana baiko midina amin'ny lafiny rehetra ka hita ihany fa mampitambatra ny foko rehetra noho ny rafitra mitovy. Tamin'ny faha 16 jona dia efa nanomboka ny fety isam-paritra. Saika mitovy avokoa ny fandaharam-potoana izay efa fantatra rahateo. Tsikaritra izao fa tompon'ny fety amin'ny ankapobeny ny fanjakana foibe. Toy ny fifidianana ben'ny tanàna ihany io ! Te ho tompon'ny fampifalifaliana ny vahoaka amin'ny asaramanitra toy izao ny fanjakana foibe, saingy an'ny ben'ny tanàna ny fikarakarana, ary ho azony ny dera sy laza raha mety ny ataony eo. Dia izay tokoa ve no mahatonga ny fanjakana hanao hetsika ivelan'Antananarivo ? Tsy fahita mantsy io ka nifangaro tamin'ny sahoan-dresaka amin'ny hanaovan'ny fanjakana fankalazana ofisialy ivelan'ny renivohitra. Rehefa dinihana anefa dia toa ny antoko politika no fototry ny fifaninanana. Ny hetsika isam-paritra ataon'ny fanjakana dia misy isan-taona, fa somary mba nanindry kely izy tamin'ity !




Taratasin'ny mpamaky
Kapao fa manimba ny tany
Tsy ho lasa lavitra intsony ny fiainana raha miloloha rano roa siny. Ny fameloman-tena tsy maintsy atao. Ny olon-dratsy anefa, miandry anao. Andraikitry ny fanjakana tanteraka ny miaro ny vahoaka mandoa hetra, indrindra ny fandriampahalemana. Tsy voafehy intsony ny kolikoly sy ny mametraha kely ataon'ny jiolahy sy ny olon-dratsy ary ny dahalo ary tena miely tokoa. Feno azy i Madagasikara. MAP inona no ho tontosa amin'izany ? Ianao misasatra sy mitsemboka, ny ratsy kosa mangarom-paosy dia mahazo. Ny mpanendaka, avy dia miakanjo, ny mpaka takalon'aina tsy mifendro. Ny mpandroba avy dia mibata. Ny dahalo, lasany mbamin'ny laoka. Misy vaovao foana ny paika maloto ataon'itony. Andefasany taratasy izay hovonoiny. Tsy maintsy manolotra ny vola. Fady ny manohitra raha mbola te ho velona. Firy taona izay no nitaraina ny vahoaka ?Izao ny any an-tsaha, mandositra. Dia iza no hiompy sy hamboly. Ny aty an-tanana tsy afa-mody alina intsony. Ny olom-poana tsy valahara mania no miroborobo croissance 20/25% isan'andro. Izay aleha misy mamely, indrindra ao Analakely.
Tambiny
Ireto misy hevitra raha tiana hioitra : Avoaka an-gazety sy radio ary tele isan'andro ny sazy miandry ny olon-dratsy. Any amin'ny faritany no manefa ny saziny migadra. Ny sazy kely indrindra dia ho roa taona. Mamerina lasa 4 taona. Tsy hanahirana ny fitsarana. Isiana rojo vy ny tongony. Rivet no atao fa tsy "cadenas", mba tsy hanahirana ny fiambenana azy. Ny mpitandro filaminana no manampy, mampanofa ny basiny. Avy dia 10 taona ary roahina ! Ny manondro na mahasambotra ka marina, omena tambiny no fampirisihana, ka ar 50 000 hatramin'ny ar 200000, tsy atao fantatr'olona.Ny kidnapping sy famonoan'olona ar 100 000 hatramin'ny ar 500 000. Tondroina ny toerana hanaterana ny fitarainana. Asiana daty ny anaran'ilay mpandray raha misy vola. Ny laharan'ny telefaonina an'ny polisy sy zandary ataovy amin'ny "carton" mba tsy ho adinoina. Tiana hahomby izay hatao : Tsotra, avy dia kapao.
SASA MIARITRA
Atsimondrano




Karatra mena
« Aok'izay ny fampiasana ankizy »
« Aok'aloha » io izao no malaza manerana ny nosy noho ny hetsik'ireo karazana fikambanana miaro ny zazavavy tsy ho lavon'ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana. Toa manome fanantenana ireo manam-paniriana hanao firaisana ara-nofo ihany anefa ny fampiandrasana, hany ka na ireo zazavavy omena ny karatra mena aza dia tsy resy lahatra loatra. Raha tsy nieritreritra firaisana ny tenan'ny zazavavy iray, fa vonona handà tsotra izao raha misy mangataka aminy, dia toa lasa azon'ny fakampanahy ka te hieritreritra fa : « hay azo atao ihany, fa miandry kely aloha ». Izay no mety ho fiheveran'ny tovovavy sasany azy, ka zary lalana ho an'ny fitepon'ny fitiavany haingana loatra raha dinihana. Na izany aza, azo lazaina ho mampivelatra ny tanora ihany izany, satria tsy vitan'ny ray aman-dreny ny miresaka firaisana ara-nofo amin'ny zanany. Tsy mahasolo ray aman-dreny anefa ny karatra mena ka eo ihany ny fahasahiana hanohitra.
« Aok'izay » Mbola ny ankizy ihany no voaresaka eto, iray volan'ny ankizy rahateo ny volana jona. Ny fampiasana ankizy tsy ampy taona no anaovana antso. Mbola maro no minia mampiasa zaza tsy ampy taona matoa misy ny hiaka manao hoe « Aok'izay ». Tsiahivina eto indray fa tsy manana ny ho aviny ireny ankizy ampiasaina ireny. Raha ny eto an-drenivohitra dia tsapa fa afaka manohy fianarana ihany ny ankamaroan'ireo ankizy atao mpiasan'olona, saingy tia tena ny lehibe ka ataony boto sy mpamelona azy fotsiny. Manginy fotsiny ny gidragidra sy latsalatsa ataon'ny mpampiasa sasany. Hianteherana amin'ny mpiasa ny fiainan-tokantrano, saingy mandefa ny ila-tongotry ny ankizy ho any am-ponja sahady izany.
Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny mpianatra izao ny eto Madagasikara. Tsy mba avela hiala sasatra ireny ankizy ampiasaina ireny fa mitombo asa amin'ireto mpianatra vakansy. Ireo ankizy ireo indrindra anefa no tena mampitondra faisana ny mpiasa, indrindra fa mpiasa tsy ampy taona no alaina.




Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny zanany malalany :
rehefa nivahiny 60 taona teto an-tany
hoy :
Ny vadiny :
RANDRIAMANANTENASOLO Georges Xavier
Ny zanany :
Pasteur Solo sy Nivo RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Fredy sy Jeanine RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Remi sy Fanja RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Paul Raphaël sy Mamy RAZAKARIVO sy ny zanany
Pasteur Elysé sy Hanitra RASAMISON sy ny zanany
Hery sy Nivo RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Liva sy Noro RAZAFINDRATSIMBA sy ny zanany
Tovo sy Annie RANDRIAMANANTENA sy ny zanany
Ntsoa sy Landy RAVALISON sy ny zanany
Docteur Francis sy Seheno RABEANTOANDRO sy ny zanany
Haja RANDRIAMANANTENA
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo aminy vadiny
Ny Fiangonana FJKM Tsimahandry, Ambohidratrimo
Ny Fiangonana FJKM Ambohitrinibe - Andakana, Ambohidratrimo
Ny Fiangonana Batista Biblika, Salazamay Toamasina
Ny razana dia hiala ao an-tranony ao Tsimahandry, ny Alatsinainy 23 Jona 2008 amin'ny 12 ora sy sasany ary entina isaorana an'Andriamanitra ary atao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Tsimahandry , Ambohidratrimo ary halevina ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohitrinibe-Andakana, Ambohidratrimo.
« Jehovah no Mpiandry ahy »
(Salamo : 23 . 1)




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Sabotsy faha-21 Jona 2008.
Hoy :
Ny vadiny :
ANDRIANAIVO Jacquis Christian
Ny zanany sy ny zafiny rehetra
Ny reniny :
RAZANAMAVO Henriette
Ny Rafozany :
Mme Veuve RAKOTOMAHEFA Clarisse
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny nofony dia ho entina hiala ao an-tranony Lot IVC 148 ter Ambohimiadana Atsimo Ambohimanarina ny Talata 24 Jona 2008 amin'ny 1 ora sy sasany ary entina atao veloma farany ao amin'ny FJKM Antanety Fitahiana alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany Ambodihady Ambohimanarina.
« Rehefa vita ny asako ety ka ny fanahiko raisina ety miara-mitoetra aminao Tomponay ».
(Hira 518 and.1 FFPM)




Jeneraly Rakotomanga Mijoro
Tontolon'ny foloalindahim-pirenena
« Mila manao jery todika ny foloalindahim-pirenena », hoy ny jeneraly Rakotomanga Mijoro. « Mbola misy foana ny fikasana hanongam-panjakana hatramin'izao, nisy ny fiakasana famonoana ny filoham-pirenena, araky ny fahitan'ny Jeneraly Rakotomanga Mijoro ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Mbola betsaka ny disadisa sy ny olana mbola tsy voavaha eo amin'ny foloalindahy. Tokony natao ny jery todika na « mise à plat » nandinihana ny zava-misy, sy ny fanarenana ny lesoka, ny famaritana mazava ny toerana misy ny miaramila ary ny làlan-kaleha. Tsy azo ekena mihitsy ve ny fanaovan'ny miaramila politika sa azo heverina ihany fa olom-pienena feno manao fanamiana izy ireo ? » Midera ny fitondrana ankehitriny ny jeneraly Rakotomanga Mijoro amin'ny nanendrena sivily vehivavy teo amin'ny toeran'ny minisitry ny Fiarovana. « Saro-pady io minisitera io. Omena satromena ny toerana, miteraka fialonana ho an'ny kepy mainty. Omenao ny kepy mainty tsy faly ny hafa. Io izany ny ala-olana. Tsy voatery ho vehivavy anefa. Raha bangoina dia mitombona ny voalaza etsy ambony, raha vao hapetraka amin'ny toerana politika ny miaramila. Ary vao maika miha sarotra ny raharaha satria toerana natokana ho an'ny sivily ary raran'ny lalàna rahateo ny miaramila tsy hanao politika.
Koa halaim-panahy ary ny sasany ka manararaotra, ary dia velona ny fitapitaka sy ny adi-lahy madinidinika eo anivon'ny samy miaramila mba ahazoana seza be tombotsoa sy voninahitra. Eo anilan'izay, ny mpanao politika dia manjono na mandrangitra sy mampiady. Izany no rivotra hiainan'ny foloalindahy hatramin'ny 1974 hatramin'izao. Koa mahagaga ve raha nisy ny 11 febroary 1975, raharaha Ratsimandrava, ny raharaha Andriamaholison, ny fifanolananan'ny Président Albert Zafy sy ny praiminisitra Ravony Francisque, ny fidinana an-dalambe tamin'ny 2001 sy 2002 ? ».
Nangonin'i Manjakahery Tsiresena




Raikitra indray ny fisamborana
Misoko mangina tsy fantatry ny eto Antananarivo ny zava-misy any amin'ny renivohi-paritany any ankehitriny. Raikitra ny fisamborana mpanohitra. Tao Fianarantsoa, olona roa no voasambotra, Roger sy Chiriak, mpanohitra avokoa izy ireo. Any Toliara, nalaina ambavany ny senatera taloha Robert Razaka. Mitohy koa izany any amin'ny faritany hafa. Mitovy ny anton'ny fisamborana : Iza no mamatsy vola anareo mpanohitra milaza fa hanao fihetsiketsehana, iza no nanao ireny trakita ireny ?
Ny filoham-pirenena, Marc, dia tsy nitsahatra nitety faritra tato ho ato, tany Nosy be, Antsiranana, Taolagnaro,ary ho any Toamasina. Efa notsidihany i Toliara sy Morondava, Mahajanga tao anatin'ny iray andro. Sady miantso ny mpanohitra hiara-hiasa aminy ny filoha no mamely ambadika.
Ny an'ny mpanohitra efa mazava, ny CRN no nanaparitaka ny trakta izay nosoniavin'ny Pr Zafy Albert, nilaza izy ireo fa handeha hitety faritra, ka inona indray ny famotorana sy fisamborana olon-afa ataon'ny mpitondra ? Fantatra fa misy olon-kafa tiana hosamborina koa ao Fianarantsoa ao, dia izay nampiantrano ny fivoriana, ny nandray anjara tamin'ny fivoriana tao amin'ny efitrano malalaky ny fiangonana katolika Talatamaty tany an-toerana. Izay no antony nampiantsoan'ny mpitandro ny filaminana olona 12 ny herinandro lasa teo.
Noraisina ho manakorontana ny filaminana anatiny avokoa izy ireo kanefa tsy nisy akory korontana na famoriam-bahoaka miteraka sakana ho an'ny asan'ny fanjakana andavanandro.
Ny vaovao farany aza milaza fa mandany vola 500 tapitrisa isan'andro ny mpanohitra hanaovana ireny hetsika isaky ny faritany ireny. Volabe tsy toko sy forohana izany ary natao hanosoram-potaka ny mpanohitra.




Fjkm Ambohiborona-Fitiavana
Voadaroka ny mpanao gazety !
Novalian' ny mpitantana ny Fjkm Ambohiborona-Fitiavana herisetra ny fitakiana nataon'ny mpino leon'ny toetra nasehon'ny Mpitandrina teny an-toerana tao anatin'ny 2 taona !
Nanenjan-tsandry tamin'ireo mpikambana amin'ny Stk namelatra sora-baventy nanehoana fitakiana teo ivelan'ny fiangonana avy hatrany Ramatoa Mpitandrina sy ny lehiben'ny Diakona niara-dia taminy raha vao nigadona teo an-tokontanim-piangonana. Tsy nisy resaka ihany koa fa nifanenjehany nanaovana herisetra toy io koa ny mpanao gazety nanao ny asa fanangonam-baovao teny tamin'io fotoana io ka potika mbamin'ny fitaovana fakany sary.
Niraraka mihitsy aza ny ompa sy teny ratsy nataon'ireto mpitarika fivavahana ireto nandritra izany, ankoatry ny fisakanany ny tsy hahazoana mamoaka io vaovao io satria tsy nahazoana alàlana tamin'izy tomponandraikitra araky ny voalazany ho lalàna mifehy ny Fjkm...
145 taona vao mihemotra
Miantso fanadihadiana avy any amin'ny Foibe Fjkm ankehitriny ny mpiavaka ao amin'ity fiangonana Ambohiborona-Fitiavana ity ho fanavotana ny fiangonana satria efa latsaky ny antsasaky ny mpino sisa mijanona ao nohon'ny afitsoky ny mpitandrina sy ireo « mpiaraka homana » aminy, hoy ny kristiana sendra anay. « Tsy misy zavatra mandeha ato fa na ny trano aza ity mila hirodana ho azy satria tsy misy fanamboarana nohon'ny tsy fisian'ny firaisan-tsaina » araky ny fitarainan'ireo tsy mankasitraka intsony ny fitondran-dRamatoa Mpitandrina. Nanamafy ny mpikambana ao amin'ny Sampana Tanora Kristiana fa tsy hampitsahatra ny fitakiany raha tsy mahazo valiny mahafa-po mba tsy hahafaty ity fiangonana efa mihanika ny faha-145 taonany ity. Mbola miantso ny rehetra ry zareo amin'ny alahady izao hifamotoana eo an-tokontanim-piangonana Ambohiborona-Fitiavana ihany hanohy ny hetsika.




Fisamborana olona tetsy Ampefiloha
Nifamaly ny zandary sy ny polisy
An-daniny ny polisy niaro ilay lehilahy, an-kilany kosa ny zandary nitondra didy fampisamborana avy amin'ny fitsarana. Raikitra ny fifamaliana teo amin'ny zandary sy polisy, tao amin'ny faritry ny HJRA-Ampefiloha, omaly.
Araka ny vaovao azonay, dia nisy lehilahy iray notorian'ny rafilahiny fa nanodinkodina ny vadiny ary tratrany tao amin'ny trano iray teny Ampasika, ny 16 jiona lasa teo. Nitsambikina teo amin'ny varavarankely, teo amin'ny rihana voalohany moa ilay lehilahy satria tratra ambodiomby niaraka tamin'ilay vehivavy. Nitory tany amin'ny biraon'ny zandary, noho izany fangalarana vadin'olona izany ilay lehilahy. Teo an-danin'izay kosa anefa dia nametraka fitarainana tany amin'ny polisy ilay tratra nangala-badin'olona fa hoe nenjehin'ilay rafilahiny tamin'ny famaky. Nifampitory izany izy roa lahy. Omaly no nentin'ny polisy teny amin'ny fampanoavana ny raharaha mikasika ilay fitoriana saingy nahazo fahafahana vonjy maika ilay tompom-bady. Omaly ihany koa no nitondra ny didy fampisamborana avy amin'ny lehiben'ny fampanoavana mba hahafahana misambotra ilay mpangalam-bady ny zandary, saingy narovan'ny polisy. Niziriziry anefa ny zandary satria taratasy mazava no azony avy amin'ny fitsarana. Mandeha ny famotorana mikasika ity raharaha ity.




Enintaona lasa izay no nandaozany anay
Ekena satria sitraky ny Ray
Mandria am-piadanana Papa
Ny vadiny, ny zanany ary ny zafiny rehetra.




Fety etsy, fety eroa
Izay kaominina tsy mahay mifety dia eo no raisina. Fifaninana kely mihitsy ny mampifaly ny vahoaka amin'ny vanim-potoana tahaka izao. Afa-boly ny vahoaka, satria ny fety tsy andoavam-bola hita, ny saina mba afaka kely amin'ny adim-piainana. Fety etsy, fety eroa. Aiza indray no ahita fifaliana mihoatra izao. Fety izay heverina fa mampiray ny rehetra. Tsy misy ny miavaka ao anatin'ny maro, fa dia firaisan-kina tanteraka no hita. Ho an'ny eto andrenivohitra, dia hisy ny afomanga goavana anio hariva. Ny avy amin'ny kaominina manodidina, dia hiakatra eto andrenivohitra avokoa. Midika io, fa ny eto andrenivohitra no tena goavana. Ny hirariana, dia fety mahafinaritra no hitsenana ny datin'ny 26 Jiona izay niverenan'ny fahaleovantena.




Indray milaza
Tobin-dasantsy eto andrenivohitra : Afindrao ivelan'ny tanàna, hoy i Moxe
Raha sanatria ka ho avy ny loza, dia eo isika mianakavy no raisina. Io no fangatahana mateti-pihavy ataon'ny loholona Moxe Ramandimbilahitra dia ny tokony hanamindrana ireo tobin-tsolika etsy Ankorondrano sy Soanierana. Tsy fahita firy eran-tany izany tombin-tsolika atao ampovoan-tanàna feno vahoaka mivezivezy izany. Eto amintsika ihany no ahitana io, nefa loza mitatao ho an'ny vahoaka ny fipetrahany ampovoan-tanàna toy izao. "Tsy sasatry ny mangataka ny hamindrana azy io izahay ato amin'ny Teza. Ny toby mpaninjara kosa, dia tsy olana ny fahitana azy isaky arabe eto atanana. Ho entinay eto anatrehan'ny fivoriana ato amin'ny senat ity fangatahanay ity", hoy i Moxe, "ary azo atao tsara ny mamindra azy io any ankafa, na dia handaniana vola misimisy ihany aza ny fanaovana izany".
Tatitry ny Governemanta : Vita omaly ny anjaran'ny senat
Tsy nihoatra ny 60 andro ny fivorian'ny loholona tapany voalohany tamin'ity taona ity. Nohajain'izy ireo ny voalazan'ny lalampanorenana, ary tsy nisy ny fangatahana fivoriana fanampiny. Fihaonana farany nataon'ny Governemanta sy ny loholona omaly, izay nanaovan'ny mpanatanteraka tatitra teo anivon'ny loholona. Niompana tanteraka tamin'ny asa vitan'ny fanjakana ny nataon'ireto mpikambana ao amin'ny Governemanta ireto. Ny fanontaniana nataon'iretsy loholona kosa ankilany, dia toy ny mahazatra, izay famitana ny asa tokony ho atao any amin'ny faritra misy azy avy. Hatreto aloha, dia fifanomezan-tànana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no hita, izay heverina fa tsy hisy volo manohariana amin'ny asa tokony ho atao.
Ivato : Tsy maintsy miala hatramin'ny zoma ny mponina
Raikitra ny fitadiavana trano honenana eny Ivato. Tsy maintsy miala amin'ny trano honenany avokoa ireo mponina voakasiky ity fanamboaran-dalana ity, satria harodana ny trano honenan'izy ireo. Mahakasika ilay hetsika handraisantsika ny fivoriana antampony ny volana Jolay taona 2009 izao, no anton'io fanamboaran-dàlana io. aty akaikin'ny tranombarotra "Horizon" misy ny tobin'ny zandary no tena voakasik'ity hetsika ity.




Fanampiana avy amin'ny Faritra Analamanga
Olona 500 isaky ny distrika no indray faly
"Mirary ny rehetra hanao fety sambatra" ny Faritra Analamanga. Nisy fanampiana ireo sahirana manerana ny distrika enina, ka olona 500 isaky ny distrika no nahazo izany. Vary 100 taonina, lafarina 200 lasaka, menaka 500 litatra ary voanemba no nozaraina omaly sy anio.
Omaly dia nitondra ny tsirambin'ny tànana ny delegasion'ny Faritra, tao Antohomadinika (kianja Ramanandraibe), ary samy nahazo vary 4 kilao isan'olona, menaka, voanemba, siramamy, savony, voamaina.. Tsy diso anjara ireo zokiolona teny amin'ny "Foyer de Vie" Andrainarivo ka nomena solombodiakoho Ar 3000, ankoatra ny fanomezana. Toy izany koa ny tao amin'ny Hopitalin'ny Ankizy Tsaralalàna, ny Fitaizana zaza kamboty "Topaza" Fjkm Ambohimitsimbina, ny fonja Anjanamasina sy Antanimora. Nahazo arendrina tsirairay ny ankizy tamin'izany.
Ho an'ireo distrika rava voly vokatry ny havandra kosa dia vary fotsy 1400 lasaka no nozarain'ny Faritra ho fankaherezana azy. Mitohy anio eny Manjakandriana ny dian'ireo delegasiona.




Antso an'efitra
Miasa izahay, hoy ny filoha Ravalomanana. Naderaderany ireo asa efa vita izay niainga tany amin'ny faritany, ary niampita teny amin'ny trano fandraisana fivoriana goavana teny Ivato. Ny alarobia teo indray, dia niazo ny tsena tetsy Ambohimanarina ny lehilahy, ary nitokana ilay tsena misy rihana eny an-toerana. Noporofoina fa tsy misy ny kobaka am-bava, fa miasa ho an'ny vahoaka izy sy ny fitondrana tarihany. Ankilany, dia mbola mitohy ny antso an'efitra ataon'ny mpanohitra. Antso izay mitory any amin'ny vahoaka fa mandeha amin'ny tsy tokony ho izy ny fomba fandaniana ny volam-panjakana. Mba henoy ihany ny hevitray, hoy ireto mpanohitra izay notarihan'ingahy Herizo Razafimahaleo ireto raha nihaona tamin'ny mpanao gazety ny talata tolak'andro teo.
Hatreto, dia hevitra roa tsy mety hifandray mihitsy no hita. Ireo anefa no heverin'ny hafa ho ampifanantonina, hijerena ny marimaritra iraisana hanasoavana ny tanindrazana. Mety hiray ve ny hevitra sy ny fomba fijery tahaka ny eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitondra ? Ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja mpanao politika dia mbola hita ihany tao ho ao, ary zary nampifitsaka ny hafa. Tsy vitsy no nilaza fa tsy misy fanehoan-kevitra azo atao eto. Ny mpitondra kosa dia tsy misalasala, manambara fa izay olona miniha manakorontana ny fiainam-bahoaka tsy maintsy hampiharina aminy ny sazy henjana. Izay no hilazana fa samy maka ho azy ny tsirairay, ka ny vahoaka angaha no avela hitsara izay zava-misy marina eto. Sa ny vahoaka tsy avela hanana ny heviny malalaka ?




Hofan-trano eny Ivato
Niakatra 100% Tampoka
Hiditra sa hitafo lanitra ? Io no fihetsika asehon'ny tompon-trano maro eny Ivato. Raha vao nandre ry zareo, fa hisy fandravana trano maro eny an-toerana, dia roboka amin'ny fanondrotana ny hofan-trano izy ireo. Anio mitatao vovonana ny ora farany tokony hialan'ireo olona mipetraka amin'ny trano ho ravana. Dila io, dia efa mandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin'izany ny fanjakana. Raikitra ny sakoroka amin'ny fitadiavana trano. Izay hita azo hisitrahan'ny loha na ratsy sy kely aza dia hidirana aloha. Trano kely, efitra iray sy lakozia no hofana 100.000ar raha ny antsasaky io ny hofany teo aloha. Ny trano fidiovana amin'izany tsy ambara intsony, fa dia maloto tsy mendrika ho an'ny olombelona. Tafakatra hatrany amin'ny 100% na mihoatra mihitsy ny fanararaotana ataon'ireo tompon-trano eny an-toerana. Soa aloha fa be karama ireo voahaisotra tamin'ny trano nonenany, hoy ny mpitazana, fa raha ny vahoaka tsy manan-katao no tratran'izao, dia angamba nampitombo isa ny mpirenireny etsy Analakely.




Sehatry ny fanabeazana
Aiza ny sekoly hianaran'ny mpianatra ?
Izay fanapahan-kevitra tapaka tsy azo hiverenana intsony. Tsy maintsy miroso isika, satria làlana iray ahafahana manatsara ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara io. Fanambarana nataon'ny Praiministra lehiben'ny Governemanta io, raha nihaona tamin'ny andrim-panjakana roa tonta izy ny talata lasa teo.
Mitohy hatrany amin'ny taona fahafito indray izany ny ankizy Malagasy vao manala fanadinana CEPE fa tsy toy ny teo aloha intsony. Izay eo amin'ny kilasy fahasivy dia efa miatrika izany. Fanovana goavana io, ary voalaza fa tsy misy intsony ny "mi-double kilasy". Ny mety ho fahaizan'ny mpianatra aloha hatreto tsy dia fantatra manao ahoana, fa ny mifindra hatrany izany no tena zava-dehibe amin'ity indray mitoraka ity. Ny fanontaniana mipetraka amin'ny maro, dia ny hoe aiza ny trano hianaran'ireo ankizy ireo ? Tsy zoviana amin'ny maro, fa any ambanivolo rehetra any, dia mijanona hatreo amin'ny kilasy fahasivy ihany ny trano afahan'ny ankizy mianatra. Hita ary fa efitra kely roa na telo no hianaran'ny ankizy. Ny mpampianatra, dia tsy tafakatra hatrany amin'ny kilasy fahafito ny fari-pahaizany, nefa tsy maintsy manao ilay asa izy ireo. Hanorina kilasy vaovao ve ny fanjakana sa ireo teo aloha ihany no hifandimbiasan'ny mpianatra ? Tsy faly manova fotsiny, fa manome vahaolana no tena fahombiazana. Manantena ihany koa ny maro fa hisolo trano manara-penitra ireo trano zozoro mbola hianaran'ny ankizy any amin'ny faritra rehetra.




Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny havamalalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 26 Jona 2008.
Hoy :
Ny vadiny :
Ravaomanandrainirika Blandine
Ny zanany :
Michel Rosalie sy MIka (France)
Andriamihaingo sy Valleria
Haingo
Rajo sy Sylvie
Ny zafiny :
Fabien, Sandrien, Sébastien, Maik, Thalia, Vanilla, Fabio
Ny Rainy :
Michel Maurice (France)
Ny Iraitampo aminy :
Rakotondrainibe Eveliny sy Julien
Randrianarivelo Thérèse sy Michel
Michel Merry sy Jeanine
Raoeliarison Jacqueline sy Eric
Beratto Jean Jacques sy Collette
Rabibisoa Baby sy Victor
Ny iraitampo amin'ny Reniny :
Terak'Itompokolahy Lachapelle Philipe sy Itompokovavy Rasoarinesy Agnès
Ny Fokontany Soaniadanana (Sabotsy Namehana)
Ny Fokontany Lazaina Avaradrano
Ny Fiangonana : FJKM Ranivo Maritiora Lazaina Avaradrano sy ny Fianakaviana
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony O3 II N 1093 Soaniadanana Sabotsy Namehana ny Sabotsy 28 Jona 2008 amin'ny 1 opra 30 mn.
Hatao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Ranivo Maritiora Lazaina Avaradrano alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Lazaina ihany.
« Jehovah no Mpiandry ahy Tsy manajava-mahory aho ».
(Sal. : 53.1.)




Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny havamalalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny 25 jona 2008, rehefa nivahiny 70 taona teto an-tany.
Hoy :
Ny iray tampo aminy :
ANDRIATSIHOARAMANDIMBIARISOA Ny Riana d'y La Paix mivady sy ny zanaka amanjafiny
RALIDERA mivady sy ny zanany
Ny havany :
Rtoa RAZANAMIANDRISOA
Ny terak'ltompokovavy PAMIALISOA
Ny terak'ltompokolahy RAVALITERA
Ny terak'ltompokovavy RAMANANDRAIBE
Ny Fiangonana FJKM Ambohimanambola Fahasoavana
Ny Fiangonana FLM Ambobibao
Ny Fiangonana FLM Ankazoabo Sud
Ny Fiangonana FJKM Andina - Ambositra
Ny Fiangonana FJKM Tsarahonenana Ny Fiangonana EKAR Ambohimanambola - Tanàna
Ny Fokontany Ambobibao Antehiroka Ny Fokontany Ambohimanambola
Ireo mpiara-miasa taminy tao :
Ministeran'ny Fitsarana - Cour Suprême - Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG)
Ny Direction, ny mpempianatra ary ny mpianatra ao amin'ny ENMG (Direction de la Formation des Greffes)
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Lot 505 Bis MA, Mandrosoa Ivato ny Zoma 27 jona 2008 amin'ny 01ora atoandro ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambohimanambola Fahasoavana alohan'ny hanefenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohimanambola ihany.
« Eny, miezaka hanatratra ny marlka aho hahaezoako ny lokan'ny fiantsaan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy »
(Filipiana 3. 14)




Vakinankaratra * Fête Nationale
Première rencontre-sortie du chef de région
A part la rituelle cérémonie de la fête de l'indépendance, c'était un grand jour pour le chef de région du Vakinankaratra nommé dernièrement, il s'agit de Randimbiarimanana Etienne de rencontrer la foule du chef-lieu de la région Antsirabe.
La cérémonie a débuté par la distribution des distinctions honorifiques aux méritants dont 10 officiers de l'ordre national, 33 chevaliers de l'Ordre national et un ordre de Mérite de Madagascar. La cérémonie a été suivie par le défilé avec la participation massive de la police nationale, la gendarmerie, ainsi que les soldats de l'ENSOA et de l'Académie militaire, toujours sur l'avenue de l'indépendance. La cérémonie a été présidée par le chef de région et les autorités civiles et militaires élues et nommées dans la région.
La fête a continué dans l'enceinte du bureau de région Vakinankaratra par la série du discours et le rituel « Nofon-kena mitam-pihavanana » toujours assistés par les invités ainsi que les récipiendaires. Durant son allocution, le chef de région a présenté sa famille, son épouse et ses enfants. Rappelons que Randimbiarimanana Etienne a 53 ans, Directeur de Cabinet du MAEP en 2002, Directeur de la Pêche en 2003, Directeur du Tiko TOP « Tiko Oil Product » et avant cette nominaton, il était le Directeur de la Pêche toujours au MAEP.




Fanefitry ny SIDA
Marary 7 no efa sitrana
Mety hampidi-bola amina lavitrisa maro ho an'i Madagasikara ilay fanefitry ny Sida hitan'ireo mpikaroka notarihan'ny Profesora Andriamanalina Nirina. Mety hitondra fampandrosoana sy fanovàna lehibe ny fiainan'ny firenentsika izany. Misy ny porofo hahafahan'ireo mpikaroka manamarina izany.
Manoloana ny resa-be mandeha etsy sy eroa mikasika ilay fahitana ny fanafan'ny SIDA, dia nanambara ry zareo mpikaroka fa tsy fanafody « médicament » no vitan'izy ireo fa fanefitra « remède » ihany. Tsy tokony hampifangaroana amin'ny fanafody izy io araka izany, hoy izy ireo nanampy.
Natao andrana tamin'ny biby tokoa ilay fanefitra vao nitsaboana olona. Tarana-boalavo SWISS no nanaovana izany. Nampidirina tamin'ny vavan'ny voalavo ny fanafody rehefa nolevonina tao anaty DMSO-eau distillée. Daozy 300mg/kg ; 1500mg/kg ary 3000mg/kg no nampiasaina ary 0,5 ml isaky ny voalavo no nomena. Nahafahana namantatra ny tsy fisian'ny poizina tao amin'ity fanefitra ity io andrana natao io. Nisy ihany koa ny fanamarinana avy tamin'ireo mpikaroka, ny tsy fisian'ny otrikaretina ao amin'ity fanefitra ity.
Na izany aza hoy izy ireo, dia « immunodéficience » no resahina, ka noho izany dia ny olombelona ihany no ahafahana manamarina tanteraka raha mandaitra na tsia ilay fanefitra. Olona 7 no voalaza fa efa nampiasa ny fanefitra, ka nahazoam-baliny fahasitranana avokoa izy ireo taorian'izany, araka ny vaovao azo avy amin'ny ekipa siantifika sy fikarohan'ny A-72.
Teo am-pamaranana, dia nanamafy ireo mpikaroka sy mpahita fa vonona ny handray ny tolo-kevitra rehetra ho fanatsaràna ny zava-bita izy ireo. Marihan'izy ireo kosa, fa tokony hiandry ny fanazavana aloha ny tompon'andraikitra voakasika isan-tsokajiny vao manaratsy sy mamono afo. Hisy famelabelaran-kevitra hatao tsy ho ela araka izany mikasika ny maha-siantifika ny voka-pikarohana.




Antoko « Tambatra »
Rava ny fikasana hanao filan-kevitra nasionaly
Rava ny fivoriambe nokasain'ny antoko « Tambatra » hatao tao Fianarantsoa, talohan'ny Fetim-pirenena teo iny. Araka ny nambaran'ny mpitarika ny antoko, Beza Seramila, dia efa vonona ny mpikambana rehetra, ary efa tonga tany an-toerana avokoa ny mpikambana avy amin'ireo faritra 22. Talohan'ny fikarakarana dia efa nangataka alàlana tamin'ny fitondram-panjakana ny antoko ary nekena am-bava tamin'izany fotoana izany. Taorian'ny fangatahana an-taratasy nataon'ny fikambanana anefa dia tsy nomena alàlana indray ny antoko. Ny antony, dia nambaran'ny eo anivon'ny minisiteran'ny Ati-tany fa tsy azo atao ny mivorivory mandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena.
Maneho ny alahelony ny antoko « Tambatra » amin'ny sakatsakana atao azy ireo. Nambaran'izy ireo fa fiainan'antoko no hivoriana izay nampitondraina ny anarana hoe « Filan-kevitra nasionaly » . Dia mbola hijery fotoana hafa indray izany ny antoko ka asa raha ho tanteraka ny fivoriana na tsia.




Fetin'ny 26 jona
Hoy izy ireo
Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra : « Nahay niray hina nitorajofo ny vahoakan'Antananarivo manontolo. Enga anie ka ho tanteraka tokoa ny hiram-pirenena manao hoe : « He sambatra tokoa izahay » !
Bruno Andriantavison, minisitry ny Paositra sy Fifandraisan-davitra ary Serasera : « Faly aho amin'ny gazety malagasy fa mendrika tokoa izy amin'ny maha zokiny indrindra azy manerana an'i Afrika, Na tsy eo intsony aza ny « Teny Soa », dia efa mahatratra 130 taona izao ny « Sakaizan'ny Tanora ». Mirehareha mihitsy aho amin'io gazety « Ny Sakaizan'ny Tanora » io satria ny Pastora Rakotondravohatra, ilay nantsoina hoe « Village Boy », anisan'ireo namorona azy dia raibeko. Miarahaba ny vahoaka malagasy tsivakivolo aho noho ny fetim-pirenena.
Robinson Jean Louis, minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena . « Ny irian'ny vahoaka malagasy rehetra fa tsy hoe ny mpitondra Fanjakana ihany no tsy maintsy manao izay mety dia ny mba hirosoantsika amin'ny hasin'ny spaoro. Dia hatao izay tsy maintsy hahatratrarana an'izay ».
Panja Ramanoelina, minisitry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono : « Ny tanora tsy maintsy mamokatra. Hanao « recrutement » maromaro izahay atsy ho atsy raha vao vita ny fandaminana anaty. Hampiditra « vulgarisateurs » 700 eo ho eo raha tamin'ny voly avotra teo no dinihina. Ireo « volontaires de développement agricole » miisa 158 moa dia ezahina tazonina avy hatrany ».
Ivohasina Razafimahefa, minisitry ny Toekarena : « Zon'ny Filoha no mijery ny firenena manontolo. Adidiny koa ny mijery ny faritra rehetra eto amin'ny firenena, dia izay no nandehanany tany Toamasina. Tsy hoe Filohan'ny toerana iray na faritra iray izy fa Filohan'i Madagasikara iray manontolo ».
Manandafy Rakotonirina, Filohan'ny MFM : « Amin'ny zoma aho vahinin'i Onitiana Realy amin'ny « Invité du Zomà » TV Plus. Any resahako hatramin'ny casquette hanaovako ».
Moxe Ramandimbilahatra, Senatora : « Ny finoana no mamolavola ny Malagasy ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Izay no tsy maintsy handinihantsika lalina ny dikan'ny hoe « Laïcité », satria ny frantsay no nitondra an'io niditra teto. Koa mampirisika ny fiangonana aho amin'ny andraikitra raisiny manodidina an'io. Ny firimorimon'ity atao hoe fanatontoloana ity dia mety hanimba antsika raha tsy miverina amin'ny fototra niaingana isika. Ny finoana ny hasin'ny maha Malagasy izay fototra izay, ary koa mifanindran-dàlana amin'ny maha Kristiana antsika izany ».




Niamboho ny Alarobia 25 Jona 2008 tany Montpellier (France) ny reny malalanay :
Ny fahatongavan'ny razana eto an-tanindrazana dia ho lazaina amin'ny andro manaraka




26 jiona tao Antsirabe
Hazavana roa samihafa teny amin'ny lanitr'Antsirabe
Trano efatra may kila forehitra tao amin'ny Fokontany Ivory Antsirabe, nifanojo indrindra tamin'ny fandefasana ny afomanga.
Taorian'ny kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ny fahitalavim-pirenena dia nalefa ny afomanga teto Antsirabe izay natrehin'ireo manam-pahefana maro isan-tsokajiny, kinanjo tetsy akaiky tsy lavitra akory indro nisy hazavana be tsy misy toy izany teny andanitra ary indro lelafo no nanangasanga, avo dia avo moa ilay toerana ka halan-drivotra. Tokantrano efatra no indray kila tsy nisy azo noraisina, tsy nisy ny aina nafoy fa ny entana rehetra dia tsy nisy azo noraisina, araka ny loharanom-baovao dia ankizy nilalao arendrina no fototry ny afo ka niitatra tamin'ny trano. Ireo trano moa dia tranohazo avokoa ka mora ny fitaran'ny afo, etsy andaniny mbola mpivarotra toaka gasy ny iray tamin'ireo voa. Nijoalajoala ny afo ny fokonolona no nifanampy tamin'ny famonoana ny afo ka saiky tsy voafehy ny afo.
Tsy manana famonoana Afo
Olana goavana sedrain'ny tanànan'Antsirabe ny tsy fananana « Pompier » raha misy fahamaizana hany ka ny herim-pon'ny fokonlona ihany no mamono ny afo, mbola olana ihany koa anefa ny rano satria handoavana ariary isan'ny litatra izany ka velon-taraina ny mpiandry paompy hoe iza no hanefa izany. Orinasa iray no fantatra fa manana « pompier » eto Antsirabe saingy mbola lalan-davitra no atao vao azo izany, ny afo anefa miitatra ihany. Ho fehiny ny mitandrina ihany aloha no azo atao, satria dia ho hitan'ny havany eo. Princia




Vavahadin'i Madagasikara
Izay vao tena hiova endrika Ivato
Tsy ho faralahin'ny kaominina intsony Ivato. Io no sento tokana nataon'ireo vahoaka maro be raha nahita ireo olom-panjakana maro ny asabotsy maraina teo, izay notarihan'ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara. Nametraka ny vato fototra ho fanombohan'ny asa ho fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato seranana.
Ny fanitarana ny "Piste" hidinanan'ny fiaramanidina sy ny làlana eny an-toerana no natao. Fiaraha-miasa amin'ny Japon sy ny Adema no ahavitana ao anatin'ny volana vitsy ity asa ity. Heverina fa hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny firoboroboan'ny lafiny ara-toekarena ity asa ity rehefa vita satria hitombo ireo fiaramanidina ho avy eto. Hiova endrika Ivato seranana sy Ivato Firaisana, ary ireo faritra manodidinana amin'ireo asa maro ho vitaina eny hatramin'ny taona ho avy iny. Ny fanitarana ny làlana ihany koa dia hita fa efa tafahala tamin'ny trano nonenany avokoa ireo zandary sy olon-tsotra voakasiky ity fandravana trano eny Ivato ity.
Etsy ankilan'ireo, dia fantatra fa hajoro eny an-tanàna ihany koa ny Lycée izay tsy mba hita teny hatramin'izay. Tafiditra ao anatin'ny tetikasan'ny kaominina io, ary ny fanadiovana ifotony, dia ho vita tsy ho ela. Ny tsena, dia efa eo andalam-pikarakarana azy ingahy ben'ny tanàna ao Ivato, ary izay no hilazana fa hiova endrika ao anatin'ny taona vitsy ity toerana, izay nampikolay ny maro hatramin'izay ity.




Antoko mpanohitra
Tafiditry ny jiolahy politika
Na maro aza ny tetika tokony ho atao, dia mandamoka hatrany izany. Io no tsapan'ny mpanohitra eto amintsika, ka tsy mahagaga hoy izy ireo, raha maro aminay no zary tafiditra am-ponja tsy fidiny.
Misy ny Jiolahy Politika, izay miezaka mamotika ireny hevitra tapaka ao anaty fivoriana ireny. Tsy lasa lavitra ny tohiny, dia efa mivily lalana. Ao ihany koa no milaza fa mpanohitra, nefa hita mibaribary, fa mialokaloka any amin'ny fitondrana. Inona no tsy asahian'izy ireny milaza fa mpiray petsapetsa amin'ny mpitondra izy ireo ? Sa rehefa misy tsy fahombiazan'ny mpitondra, dia hanambara, fa izahay anie ka mpanohitra e ? Hatreto aloha, dia samy maka ny lalan-kizorany ny mpanohitra rehetra, ary azo antoka fa tsy hitovy mihitsy ny lalan-kizorana, na dia iray aza ny fomba fijery, dia ny tsy fahombiazan'ny mpitondra mamaha ny olan'ny vahoaka, hoy ihany ity mpitarika Politika niatrika ny fikaonandoham-pirenena natao teny Andoharanofotsy taona maro lasa izay.




Atsimondrano
Mamolava ny mpamily taxi-be
Hatramin'izao dia mbola mampijaly ny mponina eny amin'ny faritra atsimondrano eny ireo taxi-be. Fitarainan'ny mpandeha no nisesisesy tato ho ato satria efa tsy rariny intsony hoy izy ireo. Amin'ny elanelan'andro aloha dia ny fifanenjehana no mafotaka, hany ka mitaintaina tsy ankiato ny mpandeha, ny fiara rahateo efa tena ratsy ka atahorana. Ny zotra 137 sy ny 172 no tena ilain'ny mponina eny ary ny fahafantaran'izy ireo izay filàna azy izay no anaovany tsinontsinona ny mpandeha. Ao ny tsy mitondra tapa-dàlana, ao ny manao fanahy iniana mamaly famerim-bolan'olona, na mampidina am-pandehanana mihitsy raha toa ka vaventy ny vola. Ny teny ratsy sy ny eson-teny amin'izany manginy fotsiny, izay iheveran'ireo resevera fa olona ambany no mitaingina taxi-be. Ny loza dia ny tsy fahaizan'ny ankamaroan'ireo mpamily. Tamin'ny sabotsy teo, ohatra dia iray tamin'ireo taxi-be (0767 T... )ireo no nandona ankizy kely nivoaka ny fiara teo Andoharanofotsy. Efa hitan'ity mpamily fa mijanona ny fiara eo alohany, ary misy olona mivoaka, saingy nalefany ihany ny fiarany. Hay nilaozan'ity mpamily nanisa vola kanefa ny fiara sady mandeha ihany. Raikitra ny tabataba. Mandeha daholo ny ompa sy teny ratsy. Ilay mpamily moa tsy taitra fa ny volany ihany no nolalaoviny, ary ny fiara dia tsy najanony raha tsy nitohoka tamin'ilay fiara teo alohany. Nitazam-potsiny kosa aloha ny zandary teo akaiky teo e ! Toa efa mifankahalala rahateo ry zalahy ka tsy nisy resaka. Tsiahivina anefa fa vokatry ny tsy fitandreman'ireo taxi-be no nahafaty zaza iray tamin'ny herinandro iny.
Raha ny faran'ny herinandro indray dia aleo mihitsy tsy mandeha raha saro-tahotra. Mandeha mafy ry zalahy ary mila hivadika mihitsy ny fiara. Efa tonga any amin'ny alehany ny mpandeha vao mahatsikaritra hoe mamo ilay mpamily. Tsy vitan'izay fa saika ny resevera no mitondra ny fiara. Ny fahazoan-dalan'ireo mpamily aza efa heverina ho "permis-mborontsiloza" koa mainka fa ny an'ny resevera ?




Sady kabary no asa
Ho taonan'ny asa ity taona ity. Fanamby napetraky ny filoha Ravalomanana io, isaky ny mikabary izy. Saika ahitana azy avokoa ny faritra sy ny kaominina rehetra. Ny mpanara-diha azy indray no toa tsy maharaka. Hijoro tsy ho ela ireo fotodrafitr'asa maro isan-karazany, izay heverina fa hitondra fiovana betsaka ho an'ireo kaominina mahazo izany.
Mitobaka ny vola etsy sy eroa, izay fanamby ho fanatanerahina ny MAP. Io taona ho avy io, maro ny asa hivaingana, raha tsy misy ny sampona. Isan'io ilay trano fandraisana fivoriana etsy Ivato. Efa vita izy io, ary ireo toerana manodidina sisa no atao. Ny seranam-piaramanidina etsy Ivato izay asiam-panitarana ankehitriny. Ny asa any Tolagnaro izay efa manomboka ilay seranan-tsambo lehibe. Ny Rova ho vita tsy ho ela ihany koa, satria efa manomboka ny fanafoana azy amin'izao fotoana izao. Ny lapan'ny Tanàna, izay fanamby lehibe napetraky ny ben'ny tanàna, fa ho vita ao anatin'ny roa taona. Fiaraha-miasa eo amin'ny ankolafin-kery rehetra ireo, ary tsy adino amin'io ny mpamatsy vola izay mametraka ny fitokisany amin'ny ireo tompon'andraikitra isan-karazany. Sady kabary no asa no hita hatreto. Asa izay heverina fa hisy fikojana amin'izay, fa tsy sanatria ho lany andro hanimba eto isika mianakavy. Ho diso ve ny fomba fijery, raha tsy mahita ben'ny tanàna miditra amin'ny fanoherana intsony isika, satria ny kaominina misy azy no zary ho sorona vokatry izay ? Mbola maro ny asa handrasan'ny vahoaka amin'ireo olona nametrahany fitokisana, ary mino isika fa ho voajery ihany koa ny lafiny ara-nofo, satria raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy.




ANY IANAO
Njao mitamberina ato an-tsaiko
'Reo teny mamy napetrakao
Mamelombelona ny aiko
Mbola eto foana « ianao »
Sarotra kosa ange ry Neny
Ny tsy maintsy hanekena
lanao any, kanefa izahay aty
Dia tsy maintsy izany foana ve akia ?
Ra-tojo olana mianjady
« zava-misy foana » io hoy ianao
Tsy maintsy vonona hiady
Fantatro fa miahy ahy ianao
Tsy hanadino anao ny foko
Na dia lavitra aza ianao
Loharanom-pifaliako
Sy fahasambarako hatramin'izao
Soa fa eo ny fanantenana
Mbola eo koa i Dada
Tsy mitsahatra mitady
Miezaka mameno ny banga
Tsy hanaiky anefa aho
Raha tsy ahazo hanantena
Fa mbola ho avy ilay andro izay
Fiarahantsika mianakavy indray
O ! ry Mama telo taona lasa tokoa izay
No nandaozanao anay
Toa mangahiahy ny fiainanay
Fa very namana izahay.
Avy amin'i Dada
RAZANAKOTO Samuel
Avy amin'ireo zanakao
ANDRIANAVONY Manitra sy Mbola
RAZANAKOTO Rado sy Lalaina
RAZANAKOT0 Zo
Avy amin'ireo zafikelinao
RAZANAKOTO Radoniaina
Avy amin'ny Reny malalanao
RAVELOARISOA
Avy amin'ireo iray tampo aminy
ANDRIAMISAINA Guy mianadahy avy sy ny vady aman-janany ary ny zafikeliny
Avy amin'ireo iray tampo amin'ny Dada
RANDRIAMASY mianadahy sy ny zanak'aman-jafiny




Imatep
Foana sy tsy manankery ny valim-panadinana
Nivoaka ny naoty ofisialy. Foana ary tsy manan-kery ny valim-panadinana ankapobe natrehin'ireo andiana mpianatra faha XVI, Riham-piofanana faha-3, taona 2006-2008 izay notontosaina ny 6 - 11 martsa 2008 teo anivon'ny Imatep (Ivotoerana malagasy momba ny Tetipivoarana) etsy Ambohijatovo-Ivandry. Fantatra ihany koa araka io naoty mitondra ny laharana DFF-076/2008 nivoaka ny 25 jona 2008 fa manomboka ny 4 aogositra ho avy izao no hamerenana indray io fanadinana nofoanana io. Zava-dehibe ho an'ny mpianatra ity fanadinana ity. Voalaza mantsy fa ho afaka hamita ny sora-karoka na « mémoire » izay mpianatra mahazo ny salan'isa 11,00/20 amin'io fanadinana io afa-tsy izay ireo voaheloky ny Fitsarana noho ny fivoahan'ny laza adina mialoha.
Fitarainana
« Mitombina tanteraka ny fitoriana nataoko teo anivon'ny ambaratongam-pahefana mahefa. Ny nilazako fa nisy fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana tamin'io andro io. Ny mampalahelo dia mitsipaka izany filazako izany tamin'ny fotoan'andro ny tompon'andraikitra ao amin'ny Sekoly araka ny taratasy nalefany mitondra ny Lah /2008/0212-Imatep/DJ/DFF tamin'ny 22 aprily 2008 », hoy ny mpianatra mpiofana iray tamin'ny resaka nifanaovana taminy. Tsy nijanona hatreo ny raharaha fa tonga hatreny anivon'ny Fitsarana. Toy izao no fandehan'ny tantara raha tsiahivina fohy.
Ny 6 sy 7 martsa, roa andro voalohany nanaovana ny fanadinana, dia nahatsikaritra ireo mpianatra vitsivitsy fa misy ireo namany nahita mialoha ny laza adina. Tapa-kevitra izy ireo fa hanao fikarohana hanaporofoana io toe-javatra io. Ny alahady 9 martsa no voalazany fa nahatratrarany ny laza adina izay tsy tokony mbola hivoaka satria laza adina hanadinana amin'ny andro roa farany dia ny alatsinainy 10 sy ny talata 11 martsa izany. Nalefa avy hatrany ny fitarainana.
Voampanga fito
Ny 22 aprily no natao famotorana teny amin'ny Bianco ( Sampandraharaha mahaleotena miady amin'ny kolikoly) ity mpianatra mpiofana sahy nijoro vavolombelona ity. Niakatra teny anivon'ny « Chaîne pénale » ny raharaha. 7 moa ny isan'ny voampanga amin'izao raharaha izao ka ny 6 amin'ireo dia mpianatra avokoa, ny iray kosa mpiasa eo anivon'ny Imatep . Samy nahazo fahafahana vonjy maika avokoa moa izy rehetra ireo. Ny 24 jona lasa teo moa no tokony ho nanatanterahana ny fitsarana fa nahemotra amin'ny fotoana manaraka.
==============================
Mpianatra ao amin'i Imatep
« Takiako ny fanafoanana ny tsy fahazoako manao sorakaroka » Fifandrifian-javatra sa misy ifandraisany amin'izao raharaha « Imatep » izao ? Nambaran'ny mpianatra iray fa iharan'ny antsojay avy aminn'ny mpitantana ny sekoly izy. Toy izao ny fanazavany. « Misy ny naoty nivoaka manondro ireo mpianatra mahazo alàlana haneho ny sora-karoka na mémoire. Tsy tao anatin'izany lisitra izany ny tenako. Ny fandraisako izany dia noho izaho sahy namaky bantsilana ny fisian'ny laza adina mivoaka tao amin'io Sekoly io ». Aminy dia ny fanafoanana io naoty io no heveriny fa mahamaika. Miantso ihany koa izy ny fahefana mahefa hanao fanadiovana ny fitantanana ao amin'i Imatep.
Mikasika ilay fanadinana haverina amin'ny volana aogositra dia nambarany fa tsy mbola fantany na handray anjara izy na tsia. « Mbola hanao tatitra amin'ny toeram-piasako izay nandefa ahy hiofana amin'ity sekoly ity aho vao hampahafantatra ny fanapaha-kevitro ».
Niezaka moa izahay nanontany ny hevitry ny tompon'andraikitra ao amin'ny Sekoly fa tsy nahazo fahafaham-po. Ambaran'ireo mpiara-miasa aminy fa mbola mivory izy ireo.




U.S. Independence Day
Symbol of freedom and patriotism
The United States celebrates its 232nd birthday, this Friday, the Fourth of July. It is a day of patriotic and family events throughout the country. In the words of Founding Father John Adams, the holiday is "the great anniversary festival. It ought to be commemorated as the day of deliverance ; It ought to be solemnized with pomp and parade, with shows, games, sports, guns, bells, bonfires, and illuminations, from one end of this continent to the other, from this time forward forever more". Independence Day is a symbol of freedom and is marked by patriotic displays.
The American nationals in all over the world commemorate this national holiday. So do those who live in Madagascar. Every year, the U.S. Embassy organizes official celebrations by inviting U.S. nationals, Malagasy officials, as well as the members of the International Community, at the residence of the US Ambassador Niels Marquardt, in Ambaranjana.
Family celebration
The Fourth of July is a family celebration in the Unite States of America. Families often mark Independence Day with a picnic or barbecue, and take advantage of the day off and in some years, long weekend to gather with relatives. Decorations such as streamers, balloons, and clothing are generally colored red, white, and blue, the colors of the American flag. Parades often are in the morning, while fireworks displays occur in the evening at such places as parks, fairgrounds, or town squares.
July is summer in USA, and millions of Americans escape the heat at beaches and other vacation spots.
It is also commonly associated with fireworks like in our country during the celebration of 26th of June, last week. Firework shows are held in many states, and many fireworks are sold for personal use or as an alternative to a public show.
U.S. Independence Day fireworks are often accompanied by patriotic songs such as the national anthem ("The Star-Spangled Banner"), "God Bless America", "America the Beautiful", "My Country", "Tis of Thee", "This Land Is Your Land", "Stars and Stripes Forever", and regionally, "Yankee Doodle" in north-eastern states and "Dixie" in southern states.




Anosibe
Manamaimbo tanàna ny trondro maloto
Lanaky ny asa nandritra sy taorian'ny fety ny mpanadio ny tanànan'Antananarivo ka araraotin'ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin'izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian'ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny fahaveloman'ny trondro. Tsy menatra akory ireo mpivarotra milaza fa trondro avy any Itasy. Trondro vao tonga eo amin'ny maraina anefa dia efa mamofona na velona aza. Tsy ela moa ireo trondro dia maty ary vao mainka tsy laitra iainana ny fofona. Ny mahagaga dia misy mividy ny trondro. Mora tokoa ny vidiny satria Ar. 3000 ny 1 kg na latsak'izany, mbola miady varotra. Arak'izany dia tsy isalasalàna ny maha trondron'Anosy sy Masay azy. Manamarina izany tokoa ny fisian'ireo mpaka trondro eny amin'ny ranon'i Masay. Tsy matahotra izy ireo satria toa hoe nomena alalana. Siosion-dresaka no milaza fa atao sakafon'ny voay hono ny trondro eo. Mety ho marina izany, kanefa tsy ferana ny ivoahan'ny trondro, na hanararaotan'ny mpaka trondro hafa. Tsy maharaka izany angamba ny tompon'andraikitra, na mahalala ihany fa mbola lanaky ny asa araka ny voalaza etsy ambony.




AKFM
Nanome tsiny ny mpanohitra
Ny tsy fitoviam-pijery sy ny fizarazarana no tsy ahombiazan'ny tolona atao eto. Tsy mahagaga raha mahazo laka amin'izay tiany atao ny mpitondra. Aoka mba ho raisina ohatra ny ataon'ny mpanohitra atsy Zimbabwe. Io no nambaran'ny sekretera Jeneralin'ny antoko AKFM, Rakotomanga Erick tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo.
Ny firosoana amin'ny fifampidinihan'ny hery velona rehetra tsy ankanavaka eto amin'ny firenena no maika. Raha toa ka mbola samy manao be marenina eto isika mianakavy, dia vao maika ho latsaka any anaty haizina ity firenena ity. Ny fandinihana ny lalàm-pifidianana izao no maika, satria io no fototry ny olana eto. Izay kely vola eto, dia tsy tafita amin'ny fifidianana hoy ny AKFM, ka tsy ho gaga ny maro raha tsy mahita olom-boafidy ao amin'ity antoko ity, satria mandia fotoan-tsarotra izy ireo. Na eo aza izany, dia tsy miova kosa ny foton-kevitra hijoroan'ity antoko ity, dia ny ady amin'ny jadona sy ny tsy fahamarinana, ary ny hampanjaka ny fandriam - pahalemana.




Fitaterana * Tsy milamina eny Ampasampito
Potehina ny Kompima
Tsy mety voarindran'ny tomponandraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra mihitsy ny fitantanana ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra mpandeha ao Ampasampito !
Very hevitra noho io toe-javatra io ny kaoperativa Kompima, iray amin'ireo kaoperativa mpitatitra olona mankany Moramanga, nafindra eny Ampasampito hanaovan'ny kaominina andrana amin'ny fitantanana ny "Gare routière" vaovao.
Tsy mazava intsony
Nifanarahan'ireo kaoperativa rehetra sy ny kaominina tany am-piandohana fa handramana avokoa izay soso-kevitra mety hampilamina ny fiarahana teny. Isan'izany ny "1 sy 2" izay fomba fifandimbiasana mameno fiara napetraka handramana mandritry ny herinandro ka hameno fiara iray ny kaoperativa hafa isaky ny mahafeno fiara iray ny Kompima noho izy manana fiara maro nohon'ny fitambaran'ny an'ireo kaoperativa efatra hafa miasa eny. Nangataka ny hanandramana ny samy mameno kosa ny Kompima taorian'izay, hisian'ny fifaninanana malalaka, nefa tsy narahina fampiharana raha tsy vao tamin'ny zoma heriny teo. Noravan'ny kaominina tampoka indray anefa io fomba io tamin'ny 25 jona teo ary narahina fampiasana polisy herisetra tamin'ny mpiasan'ny Kompima mihitsy ny fampiharana azy ny andron'ny 26 jona ka nitarika ny tsy fiasan'io kaoperativa io hatramin'ny sabotsy teo.
Mitaky mangarahara
Fananan'olon-tsotra ny fiara ampiasaina amin'ity zotra ity, hoy ny ao amin'ny Kompima, ka tokony hahamasi-mandidy ny tompony ! Tsy mionona amin'ny fitantanana ny fotodrafitrasa eo Ampasampito intsony anefa, hoy ny mpikambana, ny kaominina amin'izao fotoana izao fa miditra amin'ny fandrindrana ny fomba fitadiavam-bolan'ny kaoperativa mihitsy ka tsy mampisy ny fifaninanana malalaka eo amin'ny samy tsy miankina. Betsaka ny tranga toa misy ambadika amin'izao raharaha izao, hoy ny mpandeha izay efa manomboka tsy faly satria manohintohina ny fahalalahany izao ataon'ny tomponandraikitry ny kaominina izao ka itakiany fanaraha-maso akaiky.
Niverina niasa ihany nanomboka tamin'ny sabotsy teo ny Kompima mandra-piandry ny fanapahan-kevitry ny minisitera mpiahy sy ny Attr (Agence de transport terrestre) nitondrany ny raharaha. Toa rava rahateo ho azy moramora tao ihany koa moa ny "2 sy 1" nampifanolana ka andrasana ny ho tohiny.




Inona no tena marina ?
Hiverenana kely ny momba ireo asa goavana ataontsika eto Madagasikara, indrindra fa ny eny Ivato. Tetik'asa goavana handaniana vola be, ary tsy vita ao anatin'ny fotoana fohy, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina etsy Ivato. Roboka ny mpiara-miombona antoka namatsy vola, izay voalaza fa nandritra ny fivoahan'ny filoha Ravalomanana tany Japon no nitsiry tao an-tsainy ity asa goavana ity ?
Inona no tena marina amin'ity asa ity ? Efa ela ve no nisy fikasana hanao io sa tena vao iny fitsidihana iny no nikasana hanao azy ? Iraha mahalala, fa maro ireo asa izay nokasaintsika hatao, saingy mbola mandeha ambaratongany maro ny fifanarahana vao mivoaka ny vola. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, dia volana vitsy monja dia raikitra ny fifanarahana.
Gaga ihany ny maro mandre izany, satria hay ve mora resena lahatra tahaka izany ireto firenena vahiny ireto raha misy asa goavana tiantsika ho atao e. Koa nahoana raha miditra amin'ny tetikasa fanaovana sekoly sy toeram-pitsaboana maro isika, dia mba ho atomboka ao anatin'ny fotoana fohy ihany koa ireny asa ilain'ny mponina any ambanivolo ireny ? Mino isika fa tena ho ao anatin'ny mangarahara ny hanaovana ireny fifanaraham-piaraha-miasa ireny, ary ho voadiniky ny fanjakana ihany koa ireo filan'ny mponina voalaza etsy aloha any ambanivolo rehetra any, mba tsy ho zara raha mahay manisa ny ankizy, dia mijanona tsy mianatra intsony.




Niamboho ny Alarobia 25 Jona 2008 tany Montpellier (France) ny reny malalanay :
rehefa nivahiny 83 taona teto an-tany.
Ny fahatongavan'ny razana eto an-tanindrazana dia ho lazaina amin'ny andro manaraka




Kambana miraikitra
Vonona ny mpandidy
Asa goavana no hiandry ireo mpitsabo ao amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Tsy inona izany fa ny mety ho fandidiana ireo kambana miraikitra raha toa ka izay no fanapahan-kevitra raisin'ireo mpitsabo. Nilaza ny fahavononany ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, mpitarika azy ireo. Toy izao ny resaka nifanaovana taminy.
* Madagascar Tribune : Efa eto amin'ny hopitaly ireo kambana miraikitra ankehitriny. Matetika dia fandidiana no hatao amin'ny trangan-javatra toy izao. Inona no azonao ambara ?
Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana : Efa mivonona ho amin'ny fandidiana izahay. Izaho amin'ny maha-lehiben'ny Sampandraharaha miandraikitra ny fandidiana ankizy eto anivon'ny hopitaly dia mpitarika fotsiny ihany. Fa ny asa dia ny hopitaly iray manontolo no hiandraikitra azy. Tiako ny manamarika fa mbola misy fitiliana maro samihafa atao vao afaka mandray fanapahan-kevitra raha azo irosoana ny fandidiana.
* Manana ny ampy ve isika eo amin'ny fitaovana ?
Sarotra ny hilaza fa manana ny ampy toy ny fahita any amin'ireny firenena efa mandroso ireny isika. Ny azoko ambara dia ny fitaovana rehetra misy ato amin'ny hopitaly dia hampiasaina avokoa.
* Amin'izao fotoana izao, inona no asa tanterahinareo mpitsabo amin'ireo kambana miraikitra ?
Eo am-panaovana ny fitiliana isan-karazany izahay izao. Voalohany aloha, tsy maintsy fantarina ao anatin'io fitiliana io raha miasa tsara sy ara-dalàna avokoa ny taova eo amin'izy mirahalahy. Faharoa, fantarina ihany koa amin'ny alalan'ny fitsirihana ilay taova iombonan'izy mirahalahy ka mampiraikitra azy. Ankoatr'izay fitiliana izay dia manao izay fomba hampahatanjaka sy hahazoany lanja izahay.
* Rehefa fantatra io taova iombonana io, inona no ataon'ny mpitsabo ?
Aorian'ny fanadihadiana medikaly rehetra dia mipetraka ny fanontaniana aminay mpitsabo raha toa ka azo tanterahina ny fandidiana.
* Raha jerena ety ivelany, faritra aiza eo amin'ny vatany no hita miraikitra ?
Eo amin'ny kibo sy ambonimbon'ny kibo. « Thoraco-abdominal » moa no tena iantsoana azy eo amin'ny sehatry ny fitsaboana.
* Manao ahoana ny fahasalaman'izy mirahalahy ?
Salama tsara izy ireo. Ny minisiteran'ny Fahasalamana no miantoka manontolo ny fandraisana an-tànana azy.
Nangonin'i Herimanda R.




Halatra ranon'ny Jirama
Olona 9 niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin'ny halatra ranon'ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin'ireo kosa no mpiasan'ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan'ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian'ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon'ny Jirama no niainga ny halatra. Olona iray no nanana trano miisa 3 ka nampiditra ny rano an-tsokosoko tamin'ireo trano ireo. Tsy nanana taratasy mazava izy ireo fa taratasy hosoka avokoa no nampiasaina sy nanaovana faktiora. Efa nanao ity asa ratsy ity ireto mpiray tsikombakomba ireto ka sarona, saingy vitan'ny raharaham-pihavanana. Mbola nanohy ny asa ratsy ihany anefa izy ireo ka izao notorian'ny Jirama eny amin'ny fitsarana izao. Hivoaka tsy ho ela moa ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity.




Gadra Politika
Miantso ny mpanohitra hiray feo
Na dia any am-ponja aza dia mbola mitohy ny antso ho an'ny rehetra tsy hanaiky ny tsy rariny. Mpanao Politika iray manana ny lazany teo aloha izay migadra etsy amin'ny fonjaben'Antanimora no maniry ny hitambaran'ny herin'ny mpanohitra. Andro vitsy lasa izay, dia voalaza araky ny loharanom-baovao, fa nanoratra ho an'ny antoko Politika rehetra eto aminintsika izy io, izay nanorotsirotra ny tokony hanohizana ny tolona. Tolona izay tsy tokony avela hangina, satria io fahanginana io no toa mampahazo vahana ny hafa hoy ity taratasy ity.
Toa tsy nampiraika ny mpanao Politika tety anivon'ny fiaraha-monina anefa io antso avo io. Midika ve izany, fa tsy mifantoka amin'ny Politikan'ny olona voafonja ny fomba fijery ety ivelany ?
Heno ihany ihany koa fa tratrin'ny aretin'ny taovam-pisefoana ingahy Pety Rakotoniaina, ary maniry ny hitsaboana azy ety ivaleny ireo fianankaviany. Zary hadinon'ny mpiara-mitolona aminy avokoa ireo gadra mpanao politika rehetra. Isan'io ry Voninahitsy sy ny jeneraly Fidy. Ny Profesora Zafy Albert irery no mba heno manantona azy ireny any amin'ny toerana misy azy teo aloha teo mitondra fanampiana ho an'ireto namany ireto. NY hafa kosa, dia io iarahana mahita io, fa na ny fisian'ireo namany aza toa tsy tsaroany intsony. Tsy ho gaga isika raha samy maka ho azy amin'ny tanjona iriany ny antoko mpanohitra eto.




Alaotra Mangoro
Fasana 6 no indray vaky
Niverina indray ny vaky fasana any amin'ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin'ny alin'ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin'ny 10 km, atsimon'Ambatondrazaka eo no nisehoan'ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon'ny razana tamin'ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin'izao.
Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran'ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. Tany Ambatondrazaka no niatombohan'ny vaky fasana ary nanenika ny nosy mihitsy. Niverina matetika tao amin'ny faritra Alaotra izy ity saingy somary nahalana. Maromaro ihany ny olona efa notanana am-ponja amin'ity raharaha ity nefa toa tsy ahitam-bokany. Tsy hita ho vinavinaina moa ny ilàna ny taolam-paty, nefa dia inoana fa lafo vidy sy tena ilaina matoa misy hatrany ny vaky fasana. Miondrana any ivelany ve izy ireny sa eto an-toerana ihany no ilàna azy ? Iza no atidoha mikotrika azy ?




Sasanangy roa samy hafa
Hifantohan'ny mpanara-baovao indray ny atsy Ejipta. Fihaonan'ireo filoham-pirenena sy manam-pahefana maro aty Afrika, ka isan'ny mandray anjara amin'izany ny filoha Ravalomanana.
Ny tena hifantohan'ny fivoriana, dia ny momba ny raharaha atsy Zimbabwe, momba ny olan'ny mpitondra sy ny mpanohitra ao antoerana. Tsy vitsy no nanambara fa mba hisoroana ny ady antrano, dia tokony hisy ny fizarana fahefana toy ny natao tamin'ireo firenena vitsy aty Afrika volana vitsy lasa izay. Firenena nahitana ady antrano, ary maro ireo namoy ny ainy, sy rava fananana. Hanaiky izany ve anefa ireo mpitondra nahazo toerana ?
Hifantoka eto amintsika ny lahatsoratra, satria tsy takona afenina, fa maro no mbola mikotrika zavatra hafa any ambadika any. Tsy ho gaga isika, raha omen'ny olona toerana ratsy ny tontolo Politika eto Madagasikara. Sasanangy roa samy hafa tokoa ny eto sy ny any amin'ireo firenena ireo, raha resaka fizarana fahefana no asian-dresaka. Saingy ny tsy tokony ho adinoina dia ny fifampiresahana tokony ho atao. Izay tsy mahay fatam-bary hono mahay sobika. Ny fandraisana andraikitra no tena zava-dehibe, fa tsy ny toerana. Io no antoka hisoroana ny ady antrano sy ny korontana lava izao. Soa aloha fa hendry isika Mlagasy, saingy ny firasian-tsaina no antoky ny fampandrosoana.




Henoy izay ry hazon-damosina
Tsy mety leo, fa mbola manantena. Hotohizanay hatramin'ny farany ny fangatahanay ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena eto Madagasikara. Na ho inona hevitra handraisan'ny mpitondra izany, dia làlana iray ahafahana mibanjina ny ho avin'ny firenena rahampitso io.
Tsy voatery ho ratsy avokoa ny hevitry ny hery avy aty amin'ny fanoherana hoy ny minisitra teo aloha tao amin'ny antoko AVI. Tsy hitady toerana ihany koa fa ny tombontsoam-pirenena no ilaina banjinina. Ny antoko AKFM dia mbola manamafy io fihaonana maika io, ary tsy hambakan'izany ny Leader Fanilo, sy ny AREMA.
Ireo no mety ho voatonina eto, fa saika ny ankamaroan'izy ireo no manao ity fangatahana ity, saingy mbola antso an'efitra aloha hatramin'izao, na dia misy mihaino ihany aza izany fangatahana izany.
Misy kosa anefa ireo minia mangina. Ny antony tsy fantatra, na dia heverina ho manana hevitra tsara aza. Tsy tokony ho lalaovina ny vahoaka, hoy ireo nisafidy ny hangina ireto, fa rehefa tonga ny fotoana mahataitra ny vahoaka, dia lasa izao, fa tsy ilaina fikaonan-doha mandany andro izany. Henoy izany ry hazon-damosina. Io tsy fifampihanoana io no mitoetra andro aman'alina. Tsy ho gaga isika, raha efa misy manomana ity fihaonana an-databatra boribory ity any ho any, ka kasain'izy ireo atao afaka volana vitsy. Ny hery rehetra no asainy, ka ho hita eo izay tsy manatrika izany, raha tanteraka tokoa ity fikasana ity.




Eto an-drenivohitra
Betsaka no mifady henan'omby
Hatramin'izao dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny tsenan'ny henan'omby, indrindra aty ampovoan-tany. Manaporofo izany ny fidinan'ny vidin-kena eny ambony akalana eny ka raha tokony ho Ar 5600 any ho any ny vidin'ny hena 1 kg, dia efa misy mampidina hatrany amin'ny Ar 4000 izany. Raha tazanina anefa, dia toa hena tsara ny ankamaroany ary misy fitomboka sy voaara-maso tokoa. Araka ny nambaran'ny mpivaron-kena iray dia ny mpihinana mihitsy no matahotra, na efa tsy zatra intsony angaha. Ny mpivarotra hani-masaka no tena mamelona ireo mpivaron-kena, hoy ihany ity mpivarotra, kanefa nihena ihany koa ny lanjan'ny entana alain'izy ireny.
Maty antoka ny mpivarotra
Ny olona tsy mihinana kisoa koa no nandrasana, saingy vitsy dia vitsy sisa izy ireny no mba mividy hena omby. Ny taovan-kena moa dia tsy misy mpanontany ka saika zaraim-potsiny. Vokany dia miditra fatiantoka ny mpivarotra. Raha nahalafo ilan'omby isan'andro ny mpivarotra iray taloha, dia zara raha mahalafo 10 kg amin'izao fotoana izao.
Mpanjifa iray kosa no nanambara fa "naha koditra" ny tantaran'ny henan'omby teo alohaloha teo. Mbola tahotra no mibahana, hoy ity mpanjifa, ka raha azo atao aloha dia aleo ajanona mihitsy. Maro ny olona manana izay hevitra izay, ary misy aza dia tena hifady henan'omby hatramin'ny farany.
Tsiahivina moa fa namoizana ain'olona maro ny aretin'omby, volana vitsy lasa izay. Tao Carion Manjakandriana dia fianakaviana manontolo no namoy ny ainy, tany Ankazobe, Moramanga sns...
Tsy azo lavina ihany koa fa efa voafehy ny aretina rehefa nifarimbonan'ireo dokoteram-biby eto Madagasikara, saingy mbola tsy nisy fanomezan-toky angaha ka izay no mahatonga ny olona hisalasala hihinana ity hena ity ?




Fisamborana tao Fianarantsoa
Hotsaraina anio ireo mpanao politika nogadraina
Ho vory lanona ao Fianarantsoa anio ny mpanohitra any an-toerana. Hiaino ny valin'ny fitsarana an'i Simon Cyriaque sy i Jules Roger avy eo anivon'ny "Tambatra" sy ny "Masters" any an-toerana izy ireo.
Fikasana hanongam-panjakana no antony hiampangana azy roa lahy ireto. Mialohan'ny fetin'ny Fahaleovantena teo no nisamborana azy, ka nampidirana avy hatrany any am-ponja rehefa nandalo teo anoloan'ny Fampanoavana ao Fianarantsoa. Mifanohitra amin'io kosa no nambaran'ny mpanao politika any an-tanàna, satria tsy nisy velively izany fikasana hanogam-panjakana izany. Ny mpanohitra nivory matetika tany, izay nikasa ny hanao fihaonamben'ny Tambatra no antony nivoriana. Mifamahofaho be ihany ity raharaha ity, satria ny herinandro teo no tokony hivoaka ny didy navoakan'ny fitsarana, dia io nahemotra anio io. Miandry ny vokany isika, fa ny heno aloha dia hanotrona ity fitsarana anio ity ireo namany rehetra ao Fianarantsoa.




Amin'ny alahelo lehibe no hilazanay fa niamboho tamin'ny 1 jolay 2008 :
rehefa nahazo ny Sakramenta Masina farany nomen'ny Eglizy ny zanany ka nivahiny 99 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny zanany :
RAHARINOSY Jean Clément
RAZANAMASY Olga
RAHARINOSY Michèle
RAHARINOSY Camille sy RAHARISON Beby
RABETAFIKA Nicole
RAHARINOSY Roger sy RAFIDISON Robertine
RAHARINOSY Willy sy ANDRIAMILANDY Hanta
Ny zafikeliny :
RAHARINOSY Harilalao
RAHARINOSY Nirina sy RAKOTOVAO Patricia
RAZANAMASY Yves sy RAVELOSON Vola
RABETAFIKA Jean-Luc sy RAZAFINDRATSIRA Hanta
LESPAGNE Sylvie
RAZANAMASY Mirasoa sy RAMBOATIANA Sandy
RAHARINOSY Lanto sy RANAIVONIRIANA Tahiana
RAHARINOSY Eric
RAHARINOSY Riana sy RABEFIRAISANA Thierry
RAHARINOSY Johanne sy RASAMOELY Thierry
RAHARINOSY Thierry sy RAMAROSON Nantenaina
RAHARINOSY Lova-Tiana
RAHARINOSY Valérie sy RANJOANINA Eric
RAHARINOSY Toky
RAHARINOSY Saholy sy RASAMIMANANA Lova
RAHARINOSY Hervé
Ny zafiafiny :
Nicolas, Noël, Alexandre, Tsiky, Tiana, Marie-Anne, Jade, Kevin, Axel, Sarah, Domohina, Rindra, Ny-Fitia, Carla, Arno, Yaël, Anthony, Carolyn, Miangaly, Sarika, Kaloina
Ny havany :
Andriamatoa RAHARINOSY Jacques mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny terak'Itompokolahy RAZANATEFY Felix sy Itompokovavy RAHARIVELO Juliette
Ny terak'Itompokolahy Dokotera RAHARINOSY Joseph sy Itompokovavy RAZAFINDRAMAHATRA Eugénie
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Katedraly « Immaculée Conception » Andohalo
Ny Fiangonana Mb Cecile Tangaina
Ny Fokontany Ambatovinaky sy Tangaina Ampitatafika, ary Fenoarivo
Ny nofony dia hiala amin'ny 1 ora tolakandro ny zoma 4 jolay 2008 ao amin'ny tranony Lot VK6 Bis Ambohijatovo Ambohimanoro ka hoentina hanomezam-boninahitra farany an'Andriamanitra ao amin'ny Katedraly « Immaculée Conception » Andohalo , mialoha ny hanafenana azy ao Tangaina Ampitatafika .
« Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho... Tsaroko izany ranomasonao, ka maniry hahita anao mba ho feno fifaliana ».
(Timoty II ; 1, 3a-4)
Tsy misy fiaretan-tory




Mahazo aina ny sekta
Vola no hozatry ny aina, raha tsy misy io, dia aza manantena ny hiaina intsony. Eo amin'ny sehatry ny fahasalamana no tiana asian-teny eto.
Tsy takatry ny kely vola izao ny mitsabo tena. Raha nahita ny fitsaboana naseho ho fantatry ny mpanao gazety ny alarobia teo, izay voalaza fa mahatratra Ar 30tap ny mandidy fo ho an'olona iray ao aminy. Mora io raha mitaha amin'ny fandefasana olona ho didiana any ivelany. Faly ny rehetra nandre, fa hay mahavita sy manana fitaovana arifomba isika eto, ary manana mpitsabo havanana amin'ny sehatry ny toy izany. Kivy kosa anefa ankilany, satria firy amin'ny vahoaka Malagasy no mba mahatakatra ny fitsaboana toy izao ? Mangetaheta ambony lakana ny rehetra mahita izany, ka ankinina amin'ilay nahary sisa ny ahavelomana raha sanatria marary. Tsy ho gaga isika raha maro no mandeha mivavaka any amin'ireny sekta ireny, satria toa mahasitrana hono ny vavaka atao any. Mahazo vahana ihany koa ny mpivarotra tapa-kazo atao tambavy, satria hitan'ny Mlagasy maro fa mba manala fanaintainana ihany ny vokatra azo amin'izy ireny.
Hatraiza ny Politika entin'ny fanjakana mba ahazoany fitsaboana ara-dalana ? Miandry ny rehetra, satria ny aina no maha-olona.




Sakafo
Ny faritra kere no mamatsy an'Antananarivo
Tsy misy sakafo tsy hita eto Antananarivo renivohitra. Tsy ho gaga isika raha mivangogo eto ny ankamaroan'ny olona avy any amin'ny faritra rehetra any. Ny vidin'ireny sakafo ireny ihany koa hita fa mbola mora raha mitaha amin'ny any amin'ny faritra isan-karazany. Ny vola indray no tsy maharaka, ary ho zary ho nofy raha Antananarivo no ho faty mosary hoy ny mpitazana.
Antony mampitobaka ny sakafo eto, dia ny famatsian'ireo faritra isan-karazany sakafo manta ity renivohitra ity. Hita io toy ny vary avy any Alaotra sy Marovoay. Ny ovy sy ny karaoty ary legioma avy any Vakinankaratra. Hena omby avy any atsimo any amin'ireo faritra hambara fa kere.
Ny haninkotrana, dia mitobaka eny antsena, ary miampy ireo sakafo ambifotsy avy any ivelany sy vita eto antoerana, dia miaina tsara ny mponina. Raha jerena anefa ny velaran-tany eto, dia hita fa midadasika, saingy tsy ho hary vokatra eto avokoa ireo rehetra ireo noho ny toe-tany samy manana ny azy. Ekena fa mamatsy ny faritra hafa ihany koa ity renivohitra ity, nefa noho ny haratsin'ny lalana, dia midangana ny vidin'ny entana rehefa tonga any amin'ny toerana andefasana azy. Ireo entana ilaina eto andrenivohitra kosa anefa, dia mora ny hakana azy any ampotony, ary azohazo ihany ny vidiny rehefa tonga eto, satria maro ny entana azo hisafidiana.
Raha hiverenana kely ny momba ireo faritra hambara ho kere, dia na hita fa tsy ampy sakafo aza izy ireo, dia mbola mivarotra izay vokatra kely eo antanana, satria mila vola. Aty Antananarivo no handefasana izany, ka hoy ny mpitazana hoe, ny faritra kere indray ve no mamatsy ny renivohitra. Ny mponina andrenivohitra mantsy, dia variana any amin'ny asa birao sy ny fianarana, ka vitsy no mba mirona any amin'izany fambolena sy fiompiana izany. Tsy ho gaga isika raha somary taraiky ny mponina ambanivolo, raha mitaha ny aty andrenivohitra. Raha toa ka samy hianatra sy ny hitana birao avokoa moa ny Malagasy 18 tapitrisa, iza intsony no hamatsy sakafo ?




Andravoahangy
Mpivady mihaja misoloky mpivarotra...
Miseho amin'ny endrika maro samihafa tokoa ny fisolokiana amin'izao fotoana izao. Mpivady mihaja mandrebireby mpivarotra ao an-tsenan'Andravoahangy ary maka volan'olona amin'ny alalan'ny fihetsika hafahafa.
Tsy nampino raha ny zavatra notantarain'i Rtoa Nirina, mpivarotra akanjo voazaitra ao Andravoahangy. Araka ny nambaran'ity mpivarotra mantsy dia nisy vehivavy iray nividy pataloha teo aminy, tamin'ny vidiny Ar 4.000. Nanome vola Ar 10.000 izy mivady ka tokony hamerenana Ar 6.000. Sahirana dia sahirana tokoa ilay mpivarotra nitady madinika tamin'ny olona teo amin'ny manodidina satria tsy nisy tany aminy. Niarahan'ny besinimaro nahita ny zava-nitranga satria ankoatr'ireo mpivady dia nisy olona efatra hafa nahita ny fihetsik'izy mivady.
Tampoka teo anefa dia nilaza ilay ramatoa mpividy fa noheveriny Ar 3.000 ny vidin'ilay pataloha ka tsy hividy indray izy fa haverina ny volany. Ny pataloha anefa efa lasany. Mbola nalainy ihany koa ny vola Ar 10.000. Samy nihanahana tsy nisy nahateny, toa ireny voan'ny fandraikirakena ireny ilay mpivarotra sy ireo olona hafa teo akaikiny. Sady lasan'ilay vehivavy ny pataloha no naverina taminy ny vola Ar 10.000. Ary ny tena loza dia nanaraka ilay ramatoa avokoa ny vola tany am-paosin-dRtoa Nirina mpivarotra, an'aliny maro ary dia nangina fotsiny tsy nahahetsika izy. Olona maro anefa no teo amin'ny manodidina, dia samy tsy nisy nahateny. Fa dia inona loatra re no nataon'izy mivady e ? Izay no fanontanian'ny olona. Mety manao "masobe tsy mahita" izy ireo ka lasa miraikiraiky sy mitazam-potsiny ilay olona voasoloky. Araka ny nambaran'ny mpivarotra hafa tao Andravoahangy dia efa maro no lasibatr'izy mivady mpisoloky ireto. Nisy aza no efa very vola aman'hetsiny mihitsy. Saiky isan'andro dia misy olona lasibatry ny olon-dratsy hatrany ao an-tsenan'Andravoahangy isaky ny alarobua na ao amin'ny toby "Pochard" rehefa alakamisy sy zoma. Ireo mpivarotra moa dia manao antso avy amin'ny polisy manao fanamiana sivily mba hanao hetsika eny amin'ireny toerana ireny, satria tsy kely lalana ny ratsy ary "tsy misy tandroka".




Poizina hita maso
Lasa resaka any ivelany ny sakafo eto amintsika. Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io raha vao tonga avy tany ivelany izy ny alakamisy alina teo. Isan'io ny trondro sy ny anandrano eto an-drenivohitra.
Ny fanenjehana ny mpanjono etsy amin'ny ranon'i Masay sy Anosy ary ny lakandranon'Andriantany no tena nalaza, saingy mbola misy hafa ihany koa. Isan'izany ny anandrano etsy Ambodivona sy Andravohangy. Hita ho tena rano maloto avy any amin'ny lavam-piringin'olona isa-tokantrano no mifangaro amin'ny rano hiveloman'ity anana.
Inona no fepetra tokony ho raisina manoloana izany, satria isan'ny fampihinana maloto ny mponina koa ny toy izao ? Poizina hita maso io, nefa dia mbola maro no mividy sy mihinana izany. Miainga any amin'ny isam-pokontany io fandraisana fepetra hentitra io, fa tsy ho tandravaina aty ambony lava izao. Isika isan-tanàna no mahita izany. Ny fitiavan-kely toy izao no maharatsy endrika ny firenena, koa tsy ho gaga isika raha any amin'ireny toerana lehibe ireny no hifanotofan'ny olona miantsena, satria any no azo antoka.




Sehatry ny Fitsarana
Asio fiheverana ity famonjana olona ity
Tsy izay miditra am-ponja akory dia meloka avokoa. Tsy hasakana ny fomba fijerin'ny maro ety ivelan'ny fonja anefa ny fahitana ireny olona ireny, izay nalefa vonjy maika maka saina any. Arakaraky ny raharaha hiampangana ny olona anefa no maha ela na maha haingana ny fitsarana ny raharaha iray. Mazàna anefa, na dia efa nihiboka am-ponja nandritra ny volana maro ilay olona, dia afaka madiodio rehefa mivoaka ny didim-pitsarana.
Io no mampitaraina ny maro, satria ny haja amam-boninahiny no voakitika manoloana izany. Niarahana nahita ny zava-nisy tany Fianarantsoa farany teo. Nohafahan'ny fitsarana avokoa ireo olona voalaza fa manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny. Andro maro no nanagadrana azy ireo, nefa iny niarahana nahita iny ny didy ny alakamisy teo.
Isan'ny ezaka ataon'izao fitondrana izao ny fanafainganana ny raharaha eo am-pela-tanan'ny Fitsarana. Mbola misy ihany koa anefa ireo voafonja aman-taona maro, nefa mbola tsy nandalo fitsarana. Tsaroan'ny maro fony ny fitondrana teo aloha, izay olona nagalatra akoho iray, nefa efa-taona mbola tsy voatsara. Ny hafa nangalatra vola miliara anefa fotoana fohy dia mivoaka ny didy. Ireny rehetra ireny no ezahin'ny tompon'andraikitra ny fitsarana ho diovina. Ny lehiben'ny Fampanoavana ambony raha vao nandray ny toerany ny alakamisy teo, dia nilaza, fa ho jerena manokana ity fampidirana am-ponja olona lava ity. Ny fanafodin'io aloha hatreto, dia ny fanaovana ny marina ihany, saingy rehefa tratry ny aza manody moa atao ahoana ?




Zanak'Ikala hafa
Nisento tokana ireo depiote tsy miankina, raha nandre fa omena ny anjara fiara 4x4 izy ireo. Ny filoha Ravalomanana mihitsy raha nihaona tamin'izy ireo no nanambara izany ny faran'ny herinandro teo.
Efa ela ihany no nahazo ny fitaovana ho enti-miasa ireo depiote TIM. Efa maro ny faritra notsidihan-dry zalahy sy zavavy tamin'itony fiara itony. Midika io fa iretsy tsy miankina kosa dia nandeha tongotra na bisikileta angamba satria tsy mba zanak' i Dada angaha ka tsy nahazo ny anjara mofo mamy ? Tsy toy fahita hatramin'izay kosa anefa ny fanomezana itony fiara itony, fa dia ho averina amin'ny fanjakana rehefa tapitra ny fotoam-piasan'ireto depiote ireto mandritra ny efa-taona. Midika io fa volam-panjakana no nampiasaina tamin'ny fividianana azy ireo, saingy saika niseho indray teto ny zanak'Ikala hafa. Soa fa voasoroka haingana io. Maro no mitaky ny tokony hanaovana "Plaque rouge" itony fiara itony, mba hiavaka tsara ny fananam-panjakana izay tsy mahamenatra izany. Ny fiaran'ny lehioben'ny faritra dia hita fa manaraka ny fitsipika amin'ity menamena ity, ary tsy misy ny olana eo amin'ny fifandim-biasan-toerana, saingy ny depiote mpanao lalàna ihany ity no toa tsy manaiky izany.




Ivato
Raikitra ny gidragidra
Velona ny sahotaka ao Ivato. Ny fandravana trano hitranga eny an-toerana izay atao tsy ho ela no nampifandona indray ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny kaominina Ivato Seranana sy Ivato Firaisana.
Raikitra ny hakandroaka ny zoma teo, nataon'ny avy ao amin'ny kaominina Ivato Seranana, izay milaza fa tokony hiala eo amin'ny biraony ankehitriny ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra. Olana efa nisy teo aloha io, saingy lovan'ireto ben'ny tanàna aty afara ireto indray. Io tany io, izay tany nomen'ny FLM ho an'ireto kaominina roa ireto.
Ny niandohan'ny olana dia ilay resaka fandravana trano eny an-toerana noho ny fandraisana ilay fivoriana an-tampony aty Afrika ny volana Jolay 2009. Nisy ny andian'olona nanao fitsirihana ireo faritra voalaza fa ho tratry ny fandravana ny herinandro lasa teo. Voalaza fa ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana no nanao nampaniraka olona hanao io. Nanambara anefa ingahy ben'ny tanànan'Ivato Firaisina, Rasoloarisata Yves fa tsy manana alàlana hanao izany izy, fa ny ao anatin'ny kaominina hiadidiany ihany no azony hanaovana io. Eo no mampihitatra ny disadisa eo amin'ny samy ben'ny tanàna mifanila vodirindrina. Mifampihantsy mihitsy araky ny fomba fiteny, satria samy tsy manaiky ho gisitra eo anatrehan'ny vahoaka ny roa tonta. Ny vahoaka kosa etsy ankilany, dia mitaintaina toy ny saobakaka ambody riana. Voalaza fa tsy mbola voafaritra mazava ny trano ho ravana, saingy tsy maintsy hisy io. Ny ben'ny tanàna ao Ivato Seranana, Rasoamiaramanana Godfrey kosa dia tsy mitsahatra mamory olona hanazavany izao trangan-javatra eny antoerana izao.
Dia ho sanatria hifandrafy toy ny nataon'ny teo aloha indray ve ireto kaominina roa tonta ireto ? Toa mitombina ihany ny fanirian'ny maro ny hanambarana ho iray ity kaominina ity hialana amin'izao disadisa tsy ahitana fahombiazana izao. Ho hita eo ny tohiny.




Fahanginan'ny antoko AVI
Tsy matory fa reraka
"Ho avy ny fotoana hanehoanay ny tena zava-misy marina momba ny fiainam-pirenena. Tsy azo hirotoroana io, satria mila fandinihanana lalina vao miseho vahoaka". Io no nambaran'ingahy Randrianarivony Edmond, izay depiote teo aloha lany teto an-drenivohitra.
"Miaiky izahay AVI fa reraka aloha hatreto, taorian'ireny fifidianana nisesy teto Madagasikara ireny. Hiseho indray izahay ato ho ato, ary tsy azonay hekena izao fahoriana mianjady amin'ny vahoaka izao".
Ankoatry izay, dia nanambara ity mpikambana ao amin'ity antoko ity, fa tokony hazava tsara ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany toy ny ao Tolagnaro. Tena ny fasi-mainty tokoa ve no trandrahana ao, sa misy harena hafa toy ny berila sy ny emeraonda ? Tokony hazava ny vola alaina amin'izany, fa tsy atao safobe-mantsina fotsiny hilazana fa fasimainty avokoa no trandrahan'ny orin'asa QMM any. Ny morontsiraka ho potika, ary ny harena ho fongana. Inona no tena tombontsoa mivantana ho azon'ny vahoaka amin'izao ? Tokony ho hazavain'ny mpitondra ny momba ireo, hoy ity mpikatroka politika ao amin'ny AVI ity.




Ampy izay
Mihazakazaka ny asa atao eto amin'ny tanàna. Maika io, ka tsy ilana mitamatama. Miova matetika ihany koa ireo mpiara-miasa apetraky ny Filoham-pirenena ao amin'ny amabaratongam-pahefana isan-karazany. Tsy dia gaga amin'izany intsony ny maro, satria nandritra ny enin-taona, dia maro ireo olona noheverina ho nahavita azy no efa tsy hita tabilao intsony ankehitriny. Nankaiza ry ingahy Zazah Ramandimbiarison, izay nahavita làlana maro fony izy mbola Praiministra lefitra ? Ny PDS Hery Rafalimanana izay nampamirapiratra ny Renivohitra tao anatin'ny fotoana fohy ? Ny minisitra teo aloha, Patrick Ramiaramanana izay sahy nandrava ny fedrerasiona, ka nanambara fa hiainga ifotony amin'izay ny tontolon'ny baolina kitra malagasy. Ankehitriny anefa, dia io hiarahana mahita io fa tohizan'ny minisitra vaovao izany, ary na ilay mpanazatra vahiny vao hiara-miasa amintsika aza dia nilaza fa hijery ifotony ny baolina kitra Malagasy.
Matoa noesorina dia ampy izay, hoy kosa ny hafa. Tsy hitomany hanomezana toerana izay olona nalàna tamin'ny toerany isika, saingy moa ve nahavita ny asan'ireo noesorina ny mpandimby azy ireo ? Tsy anjaran'ny lahatsoratra no hilaza ny valiny, saingy mba tsara jerena ihany izay olona afaka miatrika asa haingana mba ho tratra ny tanjona tian'ny fitondrana atao hampiakarana avo ny firenena.




Fitadiavana asa
Tsy voatery hitana birao
Tsy mahita asa, dia aleo mitaingina tamboho. Eo no manoko resaka mandram-paharivan'ny andro. Avy eo dia manao "mimi" any amin'ny Bar. Ireo matetika no hita ataon'ny tanora eto amintsika, satria tsy mahita asa hono. Ny asa ve no tsy misy, sa ny sasany no kamo ? Mazàna dia mipetraka ao amin'ny Malagasy ny haingidraingitra amin'ny asa izay ho ataony. Tsy hiasa amin'ny "Zone" izahay, fa sady kely karama no manandevo olona, hoy indray ny hafa. Toa ny miasa birao no tena heverin'ny sasany fa asa, ka raha tsy mahita an'io, dia mitongaigy no ataony. Betsaka ny asa mahavelona, raha tsy hiteny afa-tsy ny mamboly sy miompy. Eo ihany koa ny manao asa tanana, izay heverina fa manana ny lanjan'ny lehibe raha voakaly tsara ny asanao. Tsy ilaina famatsiam-bola betsaka, fa ny fahavononana no antony, ary ilaina ihany koa ny fikirizana. Raha misy tanora maromaro mitovy fomba fijery, ka miray hina manangana orinasa madinika, inona no sakana tsy hindramam-bola any amin'ny banky raha matotra ilay tetika ? Ny fambolena na fiompiana ihany koa dia asa tsara, fa tsy asa ambany. Ny tsapa, dia maro no kamo, ka mbola manantena ny haren-draiamandreniny lava izao. Misy mihitsy ny te-hanankarena nefa tsy misasatra, izay mazana, mitarika any amin'ny famoronana andian-jiolahy mahery vaika eto amintsika. Ny rendrarendra ihany koa anefa dia tsy afaka amin'ny Malagasy sasany, ka ho gaga ve ny maro raha mahita ireny filibàna mamoafady ataon'ny tanora sasany ireny ? Ny fahatanorana hono tsy handalo firy amin'ny fiainana, koa hararaoty ny fihariana mamoron-javatra, sao hilaozan'ny andro milentika eo.




Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo
"Manomboka mahazo aina ireo kambana miraikitra"
Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ireo mpitsabon'i Hjra (Hopitaly Ravoahangy) etsy Ampefiloha (Antananarivo) amin'ny fikarakarana an'i Mahalatsa sy Mahagaga, kambana miraikitra. "Tafakatra 3,320 kg ny lanjan'izy ireo raha toa ka 2,800 kg monja izany tamin'ny fotoana nahatongavany teto amin'ny hopitaly" hoy ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, lehiben'ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fandidiana ny zaza eo anivon' ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona tamin'ny resaka nifanaovana taminy omaly.
"Rehefa tena matanjaka tsara izy ireo vao heverina ny hanantanterahana ny fandidiana azy. Sarotra amiko ny hanome daty mazava. Mety ho afaka herintaona any izany. Fa dia miankina indrindra indrindra amin'ny fivoaran'ny toe-pahasalamany" hoy ny fanampim-panazavana azo avy aminy.
Hatramin'izao aloha dia salama tsara izy mirahalahy kambana ireto raha ny vaovao azo avy amin'ny toeram-pitsaboana azy. Mitohy tsy tapaka isan'andro ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamany.
I Mahalatsa sy Mahagaga dia zaza kambana miraikitra eo amin'ny kibony sy ambonimbonin'ny kibony.
Ny 16 jona lasa teo no teraka tany Andavambaza, Kaomininan'i Behara, Distrika Amboasary - Atsimo, Faritra Anosy izy ireo. Ny zoma 27 jona teo no tonga tetsy amin'ny hopitaly Ravoahangy ireto zaza kambana miaraka amin'ny fianakaviany.
Ny minisiteran'ny Fahasalamana no miantoka tanteraka ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tànana azy ireo.




BOA Toamasina
Nivoha ny coffre, very ny Ar. 250 tapitrisa
Tsy trano vaky na varavarana nipitsoka, nefa dia very ny vola tao amin'ny banky BOA eo amin'ny "Avenue" ao Toamasina. Araka ny vaovao azo dia tamin'ny zoma alina no nanjavonan'ny vola mitentina Ar. 250 tapitrisa tao anatin'ny fitehirizam-bolan'ity banky BOA ity. Niantefa any amin'ny mpiambina avy hatrany ny ahiahy satria taorian'io fahaverezam-bola io dia tsy hita ny nanjavonan'ilay mpiambina. Ahiana arak'izany ity mpiambina ity izay tsy fantatra moa na nangalatra ny vola marina na tsia. Araka ny fantatra mantsy dia misy "code secret" ny vata fitehirizam-bola ao amin'ny banky. Sarotra inoana ny hahafantaran'ny mpiambina ny "code secret", ary etsy andaniny dia tsy mbola nisy ny fitoriana napetraky ny eo anivon'ity banky ity. Arak'izany dia ny famotorana ataon'ny manampahefana no ahalalàna ny marina, ary ahitàna marina ny misy ilay mpiambina voarohirohy.




BEPC
Mpiadina nifoka rongony
Mpiadina amin'ny fanadinana BEPC iray no any am-ponja, andro vitsy alohan'ny fanadinana izay nanomboka tamin'ny alatsinainy teo tao amin'ny distrikan'ny Tolagnaro. 18 taona ity tovolahy ity izay saron'ny mpitandro filaminana nifoka rongony, ary mbola tanana any hatramin'izao ka tsy afaka miatrika ny fanadinana. Mpiadina miisa 12 hafa kosa no tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Fantatra moa fa miisa 6 ny foibem-panadinana ao Tolagnaro, misy mpiadina miisa 1172. Etsy andaniny dia nisy akony tsara ihany ny fielezan'ny feo manodidina ny fivoahan'ny laza adina mialoha amin'ny fanadinana BEPC satria dia nanamafy kokoa ny fandriampahalemana mandritra ny fotoam-panadinana izany. Raha tsiahivina tokoa ny taloha dia toa gaboraraka manoloana izao fandraisana fepetra hentitra izao. Marina fa fanakorontanana ataon'ny sasany izany, saingy mba manatsikafona ny mpanao afera sy risorisom-panadinana hatramin'izay. Ny vokany dia ny fahamatoran'ny fanaovana ny laza adina sy ny fiambenana azy. Tsy azo lavina ihany koa fa tena nisy ny fivoahan'ny laza adina tany aloha tany, saingy notairin'ny mpanao hosoka ka nilamina ihany.




Tsakotsako
Tsy hitatatra ho an-dRainilezafy
Tsy ny vary eny an-tsaha no misy mangalatra fa ny ao an-tokantrano no tefohany. Vilia, vilany, sotro, siny, lamba fitafy sy firakotra, ny fitaovana toa ny radio sy télé ary ny vola sy firavaka.
Misavoritaka ny sain'ny mpiray tanàna any ambanivohitra sasantsasany. Ny fiainana efa miha-sarotra sy miha lafo andro aman'alina. Ny vidim-bokatra tsy hay hakarina fa voafehin'ny mpanangobokatra avy ao an-tanandehibe. Ny tany teo am-pelantanan'ny tena toa misy mikitikitika. Ary ity atao hoe kara-tany vao nalaina toa tsy misy ilana azy akory ; ny hetra anefa toa miha mitombo ary tsy maintsy aloha.
Ny filazan'ny tantsaha sasany dia ny hampitombo ny vola miditra aminy no tena mahamay ny fanjakana fa tsy ny hampanankarena ny tantsaha sy tambanivohitra. Eny na ireo tambonivohitra, havana, mila ravinahitra aza dia tsy mieritreritra loatra ny hampandroso sy hampanankarena ireo lazaina hoe valala mpiandry fasana. Aiza ve ka maherin'ny 30% isan-jatony izao ny zana-bola hampiharina amin'ny tanimbary volen'ireo mpiandry tanana mamboly ny tanimbary ? Teloina tokoa mantsy ny fomba fanao amin'ny ireny tanimbary hankinina amin'ny valala mpiandry fasana ireny ; ny iray am-pahatelony an'ny tompon'ny tany ary ny roa am-pahatelony no an'ny mpamboly. Ny vola sy fitaovana ary ny fikarakarana ny tanimbary sy ny voly vary dia anjaran'ny mpamboly avokoa. Ny anjara asan'ny tompon'ny tany dia miandry ny am-pahatelony isaky ny fararano, satria azy ny tany. Ireny tanimbary teloina ireny aloha dia tsy hampitombo ny vokatra araka ny fanantenan'ny mpitondra azy. Lafo loatra ny hofan'ny tanimbary ka tsy ahafahan'ny mpamokatra manilika mba hanatsarana ny fomba famokarana sy ny kojakojam-pamokarana. Raha toa ka manana ny atoa aza izy dia tsy hitatatra ho an-dRainilezafy satria tsy ho azy ny vokatsoa fa tsy maintsy zaraina amin'ny tompon'ny tany. Raha tsorina dia tsy mamparisika ny fanatsarana sy fampitombona ny voka-bary ny fomba fanao hatrizay dia ity hoe "teloina" ity.
Tena sahirana ny tokantrano malagasy ambanivohitra. Mikorontan-tsaina noho ity tsy fandriampahalemana amin'ny lafiny rehetra ity. Porofon'izany ireny zavatra niseho tany Imerintsiatosika ireny. Ao ny "mpangala-jaza" ao ny "mpangalatra taova" ao ny mpisakana sy mpanendaka, ao ny mpamono olona. Tsy fantatra intsony ny tena marina fa dia miambina ny isam-pokontany. Manomboka amin'ny sivy ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina. Nefa dia tsy manakana ny mpanao ratsy hiasa antoandro be nanahary izany fiambenana izany.




Tsakotsako
Tsy hitatatra ho an-dRainilezafy
Tsy ny vary eny an-tsaha no misy mangalatra fa ny ao an-tokantrano no tefohany. Vilia, vilany, sotro, siny, lamba fitafy sy firakotra, ny fitaovana toa ny radio sy télé ary ny vola sy firavaka.
Misavoritaka ny sain'ny mpiray tanàna any ambanivohitra sasantsasany. Ny fiainana efa miha-sarotra sy miha lafo andro aman'alina. Ny vidim-bokatra tsy hay hakarina fa voafehin'ny mpanangobokatra avy ao an-tanandehibe. Ny tany teo am-pelantanan'ny tena toa misy mikitikitika. Ary ity atao hoe kara-tany vao nalaina toa tsy misy ilana azy akory ; ny hetra anefa toa miha mitombo ary tsy maintsy aloha.
Ny filazan'ny tantsaha sasany dia ny hampitombo ny vola miditra aminy no tena mahamay ny fanjakana fa tsy ny hampanankarena ny tantsaha sy tambanivohitra. Eny na ireo tambonivohitra, havana, mila ravinahitra aza dia tsy mieritreritra loatra ny hampandroso sy hampanankarena ireo lazaina hoe valala mpiandry fasana. Aiza ve ka maherin'ny 30 isan-jatony izao ny zana-bola hampiharina amin'ny tanimbary volen'ireo mpiandry tanana mamboly ny tanimbary ? Teloina tokoa mantsy ny fomba fanao amin'ny ireny tanimbary hankinina amin'ny valala mpiandry fasana ireny ; ny iray am-pahatelony an'ny tompon'ny tany ary ny roa am-pahatelony no an'ny mpamboly. Ny vola sy fitaovana ary ny fikarakarana ny tanimbary sy ny voly vary dia anjaran'ny mpamboly avokoa. Ny anjara asan'ny tompon'ny tany dia miandry ny am-pahatelony isaky ny fararano, satria azy ny tany.
Ireny tanimbary teloina ireny aloha dia tsy hampitombo ny vokatra araka ny fanantenan'ny mpitondra azy. Lafo loatra ny hofan'ny tanimbary ka tsy ahafahan'ny mpamokatra manilika mba hanatsarana ny fomba famokarana sy ny kojakojam-pamokarana. Raha toa ka manana ny atoa aza izy dia tsy hitatatra ho an-dRainilezafy satria tsy ho azy ny vokatsoa fa tsy maintsy zaraina amin'ny tompon'ny tany. Raha tsorina dia tsy mamparisika ny fanatsarana sy fampitombona ny voka-bary ny fomba fanao hatrizay dia ity hoe "teloina" ity.
Tena sahirana ny tokantrano malagasy ambanivohitra. Mikorontan-tsaina noho ity tsy fandriampahalemana amin'ny lafiny rehetra ity. Porofon'izany ireny zavatra niseho tany Imerintsiatosika ireny. Ao ny "mpangala-jaza" ao ny "mpangalatra taova" ao ny mpisakana sy mpanendaka, ao ny mpamono olona. Tsy fantatra intsony ny tena marina fa dia miambina ny isam-pokontany. Manomboka amin'ny sivy ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina. Nefa dia tsy manakana ny mpanao ratsy hiasa antoandro be nanahary izany fiambenana izany.




Serasera matanjaka
Efa-bolana no hametraha ny satelita hiparitaka manerana ny tontolo ambanivohitra rehetra. Ahazo ny anjaara-masoandrony amin'ny fahafantarana ny vaovao rehetra ny vahoaka malagasy rehefa vita io. "Tsy ho tafapaka any amin'ireo faritra lavitra ny hafatra tiana ampitaina amin'izy ireo, hoy ny filoha Ravalomnana, ka izay no ilana ny fandraisana andraikitra haingana". Marina io. Satria na hatramin'izao aza dia mbola vitsy no mahalala, fa hanjaka amin'ny firenena maro eran-tany izany tsy fahampian-tsakafo izany. Na ny fomba hiadiany amin'ny mosary aza tsy voasorony mialoha, ka ny fomba fitadiavany sakafo omaly ihany no mbola ampiasainy anio. Mila ezaka anefa ity sehatry ny fambolena ity, ka hifanampy betsaka amin'io, ny serasera amin'ireny satelita ireny, sy ny fanabeazana ataon'ny teknisianina isan-karazany alefa hanoro sy hanome traikefa ny tantsaha. Hatreto maro ny manontany hoe, hiova amin'izay koa ve izany ny sata hifehy ny fifandraisana ? Mba tsy ho haino aman-jery iray no hitobaka manerana an'i Madagasikara, fa afaka hisafidy amin'izay haino aman-jery tiany ny vahoaka Malagasy. Tsy ho sehatra iray no handemy ny sainy ao, fa malalaka ny safidy, sy vaovao henony isan'andro. Izany no atao hoe serasera matanjaka, ka tsy ambonivolo ihany no ahazo fahalalahana mihaino, fa hipaka hatrany ambanivolo.




Marary...
Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra ve ny fanatanjahan-tena eto ? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro, raha mahita fa ity taranja iray ity no hifantohan'ny fanjakana mafy ny fampiakarana avo azy. Nosoloina mihitsy ny minisitry ny Fanatanjahan-tena teo aloha, satria angaha tsy nifanaraka tamin'ny tanjona nokasaina ny asa nataony ?
Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra aloha hatreto ny resaka, ary dia nanafarana mpanazatra vahiny mihitsy hijery ifotony raharaha. Tsy olana izany, satria fahaiza-manao no tadiavina. Saingy toa tsy voajery intsony ny fanatanjahan-tena hafa, na dia hita fa marary aza. Sa ny baolina kitra ve no be mpankafy indrindra, ka aleo io no imasoan'ny fitondrana mafy ? Tsara ny milaza fa ireo taranja hafa, dia efa nitondra avo ny voninahim-pirenena, saingy ny baolina kitra kosa, dia io manetry ny voninahim-pirenena lava io. Tsy aleo ve hiarahana mijery avokoa ny fanatanjahan-tena rehetra, ka izay tsy voaharina amin'iray, mba voaharo atsy ankilany. Ny fijerena mitanila ny sehatra tahaka izao no maha-kely ny finiavana ny tanora hilofo bebe kokoa amin'ny taranja izay izay nataony. Hilaina fiheverana fa tsy ny baolina kitra ihany akory no fanatanjahan-tena eto.




Fahantrana
Lasa fitadiavam-bola ho an'ny hafa
Ratsy endrika tanteraka i Madagasikara. Io no tsapan'ny Malagasy izay monina any ivelany. Ireo vahiny mba hiditra eto kosa dia efa mailo, satria malaza ratsy ity firenentsika ity.
Toa tsy mba misy zavatra tsara haranty any ivelany mihitsy, fa ny ratsy avokoa no voatanisa any ivelany, ka mampandositra ny vahiny mba te-hitsidika antsika. Ny mpitondra fanjakana no tsy tian'ny sasany, ka ny firenena manontolo no haratsiana. Fahantrana, mpanendaka eran'ny làlana, ary korontana politika no voalaza fa manjaka eto. Toa tsy mba misy fivoarana mihitsy ity Nosy ity, fa voalaza fa milentika andro aman'alina aza. Raha mahita ireo fahitalavitra any ivelany, ka mba milaza ny momba an'i Madagasikara izy ireo, dia olona mitsindroka fako sy ireo mpirenireny etsy Analakely no hita. Ny zava-kanto mampiavaka antsika tsy mba voalaza. Misy mpanao politika izay mivelona amin'ny fanaratsiana an'ity tanindrazana ity fotsiny. Amin'ny alàlan'ny fitsingolohana ireo fahantrana etsy sy eroa no ataony, ary avoakan'ny gazety boky miseho isam-bolana any ivelany. Izay ve sisa no hany mba vitan'ny sasany hanavotana an'ity Nosy ity ? Ny tahaka izao no mampilentika ny firenena, satria handositra avokoa ny vahiny tokony hitsangatsangana na hampiasa ny volany eto. Dia ho Madagasikara fadiranovana no hanakoako eran-tany, fa tsy i Madagasikara Nosy maintso intsony.




Fanefitry ny VIH-Sida
Nahazo fanasàna ny "Image Appli"
Iza no nandefitra ? Soa ho an'ny marary, indrindra ny Malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) no tanjona, ka dia nandefa "fanasana" tany amin'ireo mpikaroka nahita fanefitry ny Vih sy fanefitry ny Sida ny minisiteran'ny Fahasalamana, ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana ary ny Fiahiana ara- tsosialy.
Araka ny fanazavan'ny mpikaroka, dia fanasana hanatitra ny antontan-taratasy milazalaza ny tantaran'ny fikarohana, ny fanandramana efa nataony ary ny fitiliana (analyses) tontosany no voarainy. Omaly ihany dia tonga teny amin'ny foiben'ny "Agence du Médicament de Madagascar" (AMM) teny Tsaralalàna ny solontena, kanefa moa tsy nahafantatra ny andinindininy tokony arahana indray, mikasika izay lalàna izay. Anio izany ry zareo no hanatitra ny ambin'ny boky (14 no ilaina, satria 13 ny mpikambana ao amin'ny Comité d'éthique, miampy iray ho an'ny AMM), sy sekim-bola Ar 50.000 amin'ny anaran'ny AMM.
Mandrirarira
"Phytothérapie" no filaza ny fitsaboana hirosoan'ny "Image Appli" amin'ilay fanefitra antsoina A-72. "Tsy dia ilàna loatra ny fepetra takian'ny minisitera ny zavatra ataonay, kanefa moa soa ho an'ny Malagasy no tanjonay, ka dia izany no anateranay ireto dosie ireto."
Nanambara ireto solontena ireto fa tsy miandry vali-teny akory izany. "Fampahafantarana ny minisitera tompon'andraikitra fotsiny ireo. Izahay rahateo efa nahavita ny "essais cliniques" tany ivelany, ka dia hiroso tsy ho ela amin'ny fitsaboana. "Na ny fivarotana ny fanefitra mihitsy angamba" ?




Ny Filankevim-pitantanana,
Ny Toniam-pitantanana
sy ny Mpiara-miasa rehetra ao amin'ny
CAISSE NATIONALE DE PREVOYANCE SOCIALE
dia mampandre anareo amin'alahelo lehibe ny namoizany an'i




Am-pinoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona no ampandrenesana antsika havana sy tapaka fa i
dia nantsoin'Andriamanitra hody any Aminy ny Talata 08 jolay 2008, rehefa nivahiny 93 taona teto an-tany, teo amin'ny faha 73 taona naha-relijiozy azy tato amin'ny Fikambanan'i Jesoa (Zezoita) ary teo amin'ny faha 61 taona naha pretra azy.
Hoy :
Son Excellence Mgr l'Archevêque RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène,
Son Excellence Mgr KASCUJJA Augustin, Nonce Apostolique,
Son Excellence Mgr RANDRIAMANANA Jean Paul, Eveka Mpanampy,
R.P. RABENANTOANDRO Ludovic, Vikera Jeneraly,
R.P. RAFANAMBINANA Jean Romain, Provinsialin'ny Zezoita,
Ny Père Supérieur sy ny Communauté Saint Joseph - Analamahitsy- Antananarivo,
Ny Pretra sy ny Frera rehetra ato amin'ny Fikambanan'i Jesoa,
Ny Pretra sy ny Relijiozy rehetra eto amin'ny Diosezin'Antananarivo,
Ny Seminarista sy Relijiozy an-dalam-piofanana rehetra,
Ny Paroasy E.K.A.R. Fanahy Masina Analamahitsy,
Ireo toerana rehetra niasany :
Fianarantsoa - Antananarivo
Ny Fokontany Androhibe - Soamandrakizay -Ambatomitsangana,
Ny Fokontany Ambohibe Ilafy
Ny Iraitampo aminy :
Terak'Itompokolahy RAMAROZATOVO sy Eusebie
Terak'Itompokolahy GEORGES sy Victoire
Terak'Itompokolahy RATOVO Raymond sy Catherine
Rtoa RABARY Perpetue sy ny zanaka aman-jafiny
Rtoa RABEARY Justine sy ny zanaka aman-jafiny
Atoa RAMANANTOANINA Ignace sy Monique ary ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itompokolahy RAMANANTOANINA François Xavier sy Suzanne
Ny nofo mangatsiakany dia andrasana ao amin'ny Trano Md Joseph Analamahitsy.
Ny Eokaristia hisaorana an'Andriamanitra sady hanaovam-beloma farany azy dia hatao ny Zoma 11 jolay 2008, amin'ny 01 ora tolakandro ao amin'ny Paroasy Fanahy Masina Analamahitsy , mialoha ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drelijiozy Ambohipanja-Ilafy , toerana iandrasany ny Fitsanganan-kovelona
« Avia ianareo nohasoavin'ny Raiko handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao ».
(Mt 25:34)




Ratsy angaha ny teny Gasy ?
Toa mampandoa ny sasany ny fandrenesana fa averina ho teny enti-mampianatra ny teny Malagasy. Fanambaniana ankitsirano ny tenin-dreny ny toy izany. Tsy vitsy no nilaza fa fanapotehana ny zaza Malagasy ny fidirana indray amin'ity teny ity.
Mahamenatra ny mandre fa tsy ho tafarina isika amin'ity fiovan'ny rafim-pampianarana vaovao ity, satria fony faha-repoblika faha-roa dia niaina tamin'io ny fanabeazana rehetra teto Madagasikara. Novaina izany tato afara, ary nahazo laka teo amin'ny sehatra maro ny teny fantsay sy ny teny anglisy. Tsy sanatria ratsy ny nahaizantsika ireo fomba fiteny ireo, saingy moa ve raha manaraka ny rivotra mitsoka manerana an'izao tontolo izao ny firenena iray, dia ny tenindrazany no natao anjorom-bala ? Tsy ny fampiasana ny teny Gasy any antsekoly akory no misakana ny tsy hianarana ny tenim-pirenena hafa. Tsy maintsy fehezina ity teny vahiny, nefa omena lanja ihany koa ny an'ny tena.
Mety hitombina ny ahiahin'ny sasany milaza fa tsy hampianatra ny zanany any amin'ireny sekolim-panjakana fanabeazana fototra ireny ny mpanam-bola sy ny mpitondra fanjakana. Fa angaha moa rehefa izay no ataon'izy ireny, dia tsy milamina izay ilay fampianarana ho an'ny zana-bahoaka ? Ny hakingan-tsaina sy ny fitojoana hatramin'ny farany ny fianarana atao no maha-tafita na tsia ny ankizy. Koa aoka tsy ny tenindrazana no atao valalan'amboa ka hampihoron-koditra antsika rehefa omena sehatra amin'ny lafiny maro.




Fasan'ny Karana
Mpanera hanao grevy faobe
Manoloana ny tohin'ny fanamboarana ny fiantsonan'ny fiara amin'ny zotra rezionaly etsy amin'ny "Fasan'ny Karana" dia miatraika any amin'ireo mpanera sy mpitandro filaminana eny an-toerana ny fandroahana. Nanomboka tamin'ny alatsinainy no fantatra fa hofefena ity fiantsonan'ny fiara fitaterana ity, ka taorian'ny fivorian'ireo tompon'andraikitra dia tapaka fa olona 4 isaky ny koperativa ihany no mahazo miserasera amin'ity toby ity. Tsy misy afa-tsy ny sekretera anefa ireo olona 4 ireo ka voailika avy hatrany ireo mpanera sy mpitandro filaminana. Miisa 30 lahy ireo mpiasa eto izay mpilalao baolina lavalava ao amin'ny TAM Anosibe avokoa. Mbola teo Anosibe ny fiantsonan'ny fiara no efa nahatsangana fitsipika sy nahazo alalana hitandro ny filaminana ireo tanora ireo. Nitohy teny amin'ny fasan'ny karana izany. Araka ny nahazatra hatramin'izay dia ny fiara mpitatitra no mandoa vola ar 500 isaky ny fiara, karaman'ireo tanora.
Raisina isan'andro ny vola, saingy ny an'ny mpiambina dia novàna ho isan-kerinandro. Ireo mpanera moa dia efa tsy ao anatiny intsony. Nizara izy 30 lahy ka eny amin'ny Fasan'ny Karana ny sasany ary eo amin'ny fiantsonan'ny fiara eo Anosibe ny sasany, ary mifandimby isan'andro. Ny vokany aloha dia efa mafy ady sahady ireo tanora mpanao lavalava. Ahiana ho voatonotonona amin'ny tsy fandriampahalemana ry zalahy ka tapa-kevitra fa hanao grevy faobe amin'ny alatsinainy. Tsy lavin'izy ireo ny fanamboarana fa nohamafisiny kosa fa misy ampihimamba ao. Misy antokon'olona mitady hangeja ny fitantanam-bola ka haka izay tokony ho karaman'ireo tanora.




Am-pinoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona no ampandrenesana antsika havana sy tapaka fa i
dia nantsoin'Andriamanitra hody any Aminy ny Talata 08 jolay 2008, rehefa nivahiny 93 taona teto an-tany, teo amin'ny faha 73 taona naha-relijiozy azy tato amin'ny Fikambanan'i Jesoa (Zezoita) ary teo amin'ny faha 61 taona naha pretra azy.
Hoy :
Son Excellence Mgr l'Archevêque RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène,
Son Excellence Mgr KASCUJJA Augustin, Nonce Apostolique,
Son Excellence Mgr RANDRIAMANANA Jean Paul, Eveka Mpanampy,
R.P. RABENANTOANDRO Ludovic, Vikera Jeneraly,
R.P. RAFANAMBINANA Jean Romain, Provinsialin'ny Zezoita,
Ny Père Supérieur sy ny Communauté Saint Joseph - Analamahitsy- Antananarivo,
Ny Pretra sy ny Frera rehetra ato amin'ny Fikambanan'i Jesoa,
Ny Pretra sy ny Relijiozy rehetra eto amin'ny Diosezin'Antananarivo,
Ny Seminarista sy Relijiozy an-dalam-piofanana rehetra,
Ny Paroasy E.K.A.R. Fanahy Masina Analamahitsy,
Ireo toerana rehetra niasany :
Fianarantsoa - Antananarivo
Ny Fokontany Androhibe - Soamandrakizay -Ambatomitsangana,
Ny Fokontany Ambohibe Ilafy
Ny Iraitampo aminy :
Terak'Itompokolahy RAMAROZATOVO sy Eusebie
Terak'Itompokolahy GEORGES sy Victoire
Terak'Itompokolahy RATOVO Raymond sy Catherine
Rtoa RABARY Perpetue sy ny zanaka aman-jafiny
Rtoa RABEARY Justine sy ny zanaka aman-jafiny
Atoa RAMANANTOANINA Ignace sy Monique ary ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itompokolahy RAMANANTOANINA François Xavier sy Suzanne
Ny nofo mangatsiakany dia andrasana ao amin'ny Trano Md Joseph Analamahitsy.
Ny Eokaristia hisaorana an'Andriamanitra sady hanaovam-beloma farany azy dia hatao ny Zoma 11 jolay 2008, amin'ny 01 ora tolakandro ao amin'ny Paroasy Fanahy Masina Analamahitsy , mialoha ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drelijiozy Ambohipanja-Ilafy , toerana iandrasany ny Fitsanganan-kovelona
« Avia ianareo nohasoavin'ny Raiko handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao ».
(Mt 25:34)




Tompoko,
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hampandrenesanay fa ny malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 10 Jolay 2008 rehefa nivahiny 52 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny reniny :
RASOALANTO
Ny iray tampo aminy :
ANDRIANASOLOMAHEFA Jean Philippe sy Naina ary ny zanaka aman-jafiny
RABARISON Jean Muël sy Angéline ary ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANASOLONJATOVOMAHEFA Gabriel sy ny zanaka aman-jafiny
RAMAHEFARISOA Lanto
ANDRIAMIFIDIMAHEFA sy Christiane ary ny zanany
RAKOTONIRAINY Eugène sy Zanah ary ny zanaka aman-jafiny
RALANTOMAHEFA sy Ancelline ary ny zanany
ANDRIAMITANTSOA Benjamin sy Harimahefa ary ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAROMANANA Bertrand sy Hanta ary ny zanany
RAMANAMAHEFA Rivosoa sy Liliane ary ny zanany
RAMANAMILANTOMAHEFA Mamy
Ny havany :
Ny terak'ltklahy RAINIZAFIMAHEFA sy Itkvavy RAZANAKA,
Ny terak'ltklahy RAININAHOATRA
Ny terak'ltklahy RAINIHAJA sy Itvavy RASOAFANIRY
Ny terak'ltklahy RAINIZAKA sy Itkvavy RATIARAY
Ny terak'ltklahy RANOVONA RAINITIARAY sy Itkvavy RAVELONJANAHARY
Ny terak'ltklahy RAINIVAONORO.
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Société Balt-Mad Mahajanga
Ny Fiangonana FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka
Ny Fiangonana FPVM Mahajanga
Ny Fokontany Antohomadinika III G Hangar,
Ny Fokontany Beloha Ambohitrimanjaka
Ny Fokontany Ampanomahitsy Ambohitrimanjaka.
Ny nofony dia ho entina miala ao Antohomadinika Lot III G 93 ter rue Pasteur ny Alahady 13 Jolay 2008 amin'ny 1 ora tolakandro . Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambatolampy Fahazavana alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Vohidroa Ambohitrimanjaka.
« Iza no ahy any an-danitra ? Ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra... »
(Salamo 73 : 25-26)




Vita Gasy
Teny mandreraka, toa mitory fanambiana ny asa ataontsika io. Heno matetika, ary mivoaka amban'ny maro rehefa injay mipoitra ny tsy fahombiazana. Nitodika tany amin'ny fomba fiasa namoizana ain'olona ny alakamisy teo teny Ivato io fomba fiteny iray.
Asa goavana lehibe tahaka ireny ve no atao, dia fitaovana kely sy olona vitsy toy ireny no ampiasaina. Tsy fanatra intsony, na ilay orinasa nahazo ny tsena no te-hanambe, na ny vola natokana ho azy ireo mihisty no tsy afaka hanofana fitaovana goavana handravana itony asa lehibe itony. Vokany aina enina be izao no indray nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso. Na ho inona ho vokatry ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro ny filaminana, dia ny aina nafoy kosa tsy miverina intsony.
Tsy ho gaga mihitsy isika raha ny vahiny hatrany no mahazo ny tolotr'asa rehetra eto. Manara-penitra ny azy ny fitaovana ampiasaina, ary vita araky ny ilana azy ny asa rehetra. Raha ny Gasy kosa no mahazo sehatra kely, dia ireny hiarahana mahita ireny ny vokany. Raha tsy maty ny olona, dia zara fa vita ny asa. Isan'io ireny lalana atao TIP TOP ireny. NY asa tany Tolagnaro, izay naverina tanteraka ny lalana tao antampon-tanana, satria kitoatoa ny famitana azy. Soa aloha fa tsy ny orinasa gasy rehetra no manao ity asa vita gasy ity, fa ao ireo tena mifaninana amin'ny vitan'ny any ivelany. Izany no atao hoe sehatry ny fifaninana, fa tsy izay milaza ho orinasa kely rehetra izao, dia ahazo vahana amin'ny asa gavana toy ity eny Ivato ity.




Grevin'ny JIRAMA
Misy mpanao politika ao ambadika ?
Hatramin'izao, dia mbola tsy hita ny marimaritra iraisina eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpiasa sy ireo mpitantanana ao amin'ny JIRAMA io. Hitohy ny Grevy ataon'ireto mpiasa ireto.
Raha ny heno, dia misy mpanao politika mikitikitika ny hitaran'ny izao fitokonana ataon'ny mpiasa izao. Ny fitakiana ny tombontsoa sy ny fandaminana anatiny no tena votoatin'ny Grevy. Hanerana an'i Madagasikara ny fanairana ataonay hoy ny solontenan'ny mpiasa, ary efa maro ireo sonia voahangona. Momba iry voalaza etsy aloha, momba ny fidiran'ny resaka politika,dia diso izany hoy ny sendika mitarika ny hetsika. Tsy hitsabahan'olon-kafa ny tolona ataonay. Misy amin'ireo mpiasa tsy mankasitraka ny fitokonana kosa anefa no manamafy io fidiran'ny mpanao politika io. Mizarazara be ihany ny hevitry ny mpiasa hatreto, na dia samy miandrandra izany tombontsoa efa azo teo aloha, nefa notapahana ankehitriny izy irehetra.




Bucas Antanimena
15 taona nanaovana asa sosialy
10 jolay 1993 - 10 jolay 2008, feno 15 taona katroka afak'omaly ny Bucas na ny "Bureau de Coordination des Actions Sociales" etsy Antanimena. Ny Bucas dia Sampandraharahan'ny EKAR Arsidiosezin'Antananarivo miandraikitra ny fandrindrana sy ny fanentanana ny asa sosialy irotsahany.
Ho fanokafana izany tsingerin-taona izany, nisy ny lamesa narahina atrika asa notanterahina tetsy amin'ny foibeny. Tamin'izany no nahafantarana fa ny fitomboan'ny fahantrana tamin'ny taona 80 no nanosika ny tompon'andraikitra hanangana ity sehatrasa manokana ity. Tsapa fa ny fampivondronana ny hery sy ny fanatsarana ny fahaiza-manaon'ireo mpikatroka sosialy no antoka hampahomby ny asa fampivoarana ny fiainan'ny olona. Ny tena asa sahaniny dia mampivondrona ny mpikatroka asa sosialy mba hisian'ny fitoviam-pijery sy ny fiaraha-miasa ka ahafahana mampivoatra marina ny fiainan'ny olona. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'izy ireo mba hitera-bokatsoa ho an'ny fiaraha-monina ny asany.
"Sahia miasa, sahia miara-miasa"
"Sahia miasa, sahia miara-miasa, aoka isika hiara-hiasa hifanome tànana ka hanampy ny mpiara-belona amintsika indrindra fa ireo olona sahirankirana amin'ny fivelomana", hoy ny filohan'ny Antenimiera-mpirenena, Jacques Sylla , tamin'ny lahateny nataony.
Manentana ny tsirairay izy hitozo hatrany amin'ny asa. Izany hafatra izany dia miantefa ihany koa amin'ireo mpikatroka eo aniovon'ny Bucas. Efa mahatratra 217 ankehitriny ny seha-pikatrohana mivondrona amin'ny tambajotran'ny Bucas. Misokajy amin'ny sampan'asa samihafa izy ireo : ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fanofanana arakasa, ny fampivoarana ny fivelomana ety andrenivohitra, ny fampivoarana ny fivelomana eny ambanivohitra, ny fifandraisana amin'ny mpiara-belona, ny fiarovana ny fahamarinana sy ny zon'olombelona ary ny vonjy voina. Miasa eto amin'ny Faritr'Analamanga, ny faritra sasany amin'ny faritra Vakinakaratra sy ny Faritr'Itasy moa ity Birao ity. Mbola hitohy anio ny fankalazana amin'ny alàlan'ny atrik'asa andraisan'ireo sampana misy eo anivon'ny Bucas




Tompoko,
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hampandrenesanay fa ny malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 10 Jolay 2008 rehefa nivahiny 52 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny reniny :
RASOALANTO
Ny iray tampo aminy :
ANDRIANASOLOMAHEFA Jean Philippe sy Naina ary ny zanaka aman-jafiny
RABARISON Jean Muël sy Angéline ary ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANASOLONJATOVOMAHEFA Gabriel sy ny zanaka aman-jafiny
RAMAHEFARISOA Lanto
ANDRIAMIFIDIMAHEFA sy Christiane ary ny zanany
RAKOTONIRAINY Eugène sy Zanah ary ny zanaka aman-jafiny
RALANTOMAHEFA sy Ancelline ary ny zanany
ANDRIAMITANTSOA Benjamin sy Harimahefa ary ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAROMANANA Bertrand sy Hanta ary ny zanany
RAMANAMAHEFA Rivosoa sy Liliane ary ny zanany
RAMANAMILANTOMAHEFA Mamy
Ny havany :
Ny terak'ltklahy RAINIZAFIMAHEFA sy Itkvavy RAZANAKA,
Ny terak'ltklahy RAININAHOATRA
Ny terak'ltklahy RAINIHAJA sy Itvavy RASOAFANIRY
Ny terak'ltklahy RAINIZAKA sy Itkvavy RATIARAY
Ny terak'ltklahy RANOVONA RAINITIARAY sy Itkvavy RAVELONJANAHARY
Ny terak'ltklahy RAINIVAONORO.
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Société Balt-Mad Mahajanga
Ny Fiangonana FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka
Ny Fiangonana FPVM Mahajanga
Ny Fokontany Antohomadinika III G Hangar,
Ny Fokontany Beloha Ambohitrimanjaka
Ny Fokontany Ampanomahitsy Ambohitrimanjaka.
Ny nofony dia ho entina miala ao Antohomadinika Lot III G 93 ter rue Pasteur ny Alahady 13 Jolay 2008 amin'ny 1 ora tolakandro . Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambatolampy Fahazavana alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Vohidroa Ambohitrimanjaka.
« Iza no ahy any an-danitra ? Ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra... »
(Salamo 73 : 25-26)




Tsy re tsaika
Ho hamafisana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Isan'ny nivoitra tao anatin'ilay atrik'asa teny Ivato ny herinandro teo izany, mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny firenena manontolo. Tsy hidirana hatramin'ny antsipirihiny izay tetika ho ataon'ireo sehatra telo, dia ny polisy, tafika ary zandary ho atao, fa ny maika aloha izao, dia ny fomba tsy hiparitahan'ny fitaovam-piadiana mahery vaika intsony. Hiarahana mahalala, fa ny andian-jiolahy sy dahalo no tena mahazo vahana eto. Iza no tena mamatsy azy ireny ? Mazava ho azy fa tsy maintsy misy fiaviany avokoa itony fitaovam-piadiana miparitaka eran'ny tanana itony. Ny basy vita gasy hatrany no hambara fa nampiasain'ireny olon-dratsy ireny. Mazana dia voatifitra ka maty ilay olona ary tsy fantatra izay niavian'ny fitaovana. Hoa n'ireo fitaovana mahery vaika tratra kosa, dia efa voakosoka ny marika amin'ilay izy. Raha tena miainga ifotony anefa ny fanadihadiana momba io fitaovana io ho fantra ihany ny nivoahany. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy fanazavana marim-pototra nahalalana izay nivoahan'ireny basy fampihorohoroana ataon'ny jiolahy ireny. Tsy re tsaika nandritra ny fivoriana ihany koa ny tena mpamatsy ireo jiolahy. Tsy natao hanamelohana sehatra isan-karazany ny toy izao, fa kosa mbola mila ezaka goavana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto. Raha tsy tafita io tsy asa fampandrosoana ho vanona eto. Soa aloha fa efa mba maro ireo mpanafika sy ny mpiray tetika no tratra, ary antenaina fa ho fongotra hatramin'ny farany ireny ratsy ireny, taorian'iny dinika teny Ivato nandritra ny telo andro iny.




Politika
Mametraka mpandimby ny goaika antitra
Anjaran'ny tanora indray izao. Ampy izay ny anay. Mpanao Politika isan'ny fanta-daza efatra teto amin'ny firenena no nilaza ireo ny faran'ny herinandro teo. Na dia niezaka ny handrafitra ny tetika entina hanatsarana ny fomba fanaovana Politika eto Madagasikara aza ny antoko sy ny mpikambana ao aminy, dia misy fotoanany ny zava-drehetra.
Ho ampitaina ny fanilo, ka anjaran'ireo tanora mpikambana nomena andraikitra indray no manohy ny tolona. Tsapa ho an'ny antoko maro ity fanovan-drafitra tao ho ao ity. Isan'io ny teo anivon'ny TIM izay mitety faritra maro manamafy ifotony ireo mpikatroka isaky ny faritra. Ny antoko AKFM, izay efa ireo tanora zandriny avokoa no mamndrafitra ny birao politika. Ny Arema kosa dia io mbola hiarahana mahita io ny fidongiana seza ataon'ireo efa zokiny, ka zary nipatitaka samy maka ho azy ny rehetra. Ny MFM izay nolazain'ingahy Manandafy Rakotoniriana, fa efa vonona ny mpikatroka amin'izay fifandimbiasana izay tao amin'ny fahitalavitra tsy miankina iray. Na eo aza ho an'ny ankamaroan'ny antoko ny mamindra ny andraikitra toy izao, dia tsapa, fa mbola manome ny heriny ho an'ny antokony ny ankamaroan'izy ireo.
Tsy zoviana amin'ny maro, fa misy antoko natao hanongam-panjakana fotsiny. Ao ihany koa ny tsy mahatazona ny foton-kevitra nijoroany, ka zary mivadibadika manaraka ny toe-trandro eny. Ary ao no natao hisolelaka hatrany, satria izay no entiny hivelomana sy hamelomana ny antoko. Tsy azo lavina fa mahatratra 200 latsaka kely no isan'ny antoko eto Madagasikara, ary ny mpikambana tsy nahita avaram-patana tamin'ny antoko iray no manangana io. 10 raha be indrindra no mandrafitra ny birao, dia efa milaza ho antoko matanjaka ry zalahy. Rehefa tonga anefa ny fifidianana, mba firy amin'ireto antoko ireto no sahy milatsaka ? Ny fanohanana ny kandida hafa mazana no hita, ka eo no misy fifampiraharahana ara-bola, mba sitrany ahay e.
Handao tsy ho ela ny sehatra misy azy ireo antsoina hoe goaika antitra teo amin'ity sehatra ity, hanao ahoana indray ny famindran'ireo mpandimby ? Ho hita eo ihany, fa ity taona ity no hafantarana ireo handeha hisotro ronono eo amin'ny fiainam-pirenena.




Fanavaozana ny fanabeazana
Vonona ny tsy miankina
« Tsy misy afa-tsy ny tenin-dreny no hahafahana manokatra ny vavahadin-tsain'ny zaza. » Ratoejanahary Maxime, Malagasy mpanoratra sy mpikaroka, mpamokatra boky fianarana ho an'ny Malagasy mpianatra sy mpanabe, no efa nivoy sy nampita izany vao nanomboka namoaka fitaovam-panabeazana izy. Hita taratra tamin'ireo boky rehetra nomeny entin-manabe izay valin-karoka izay, kanefa tsy nanadinoiny kosa fa tsy maintsy mifehy ny teni-pirenena hafa ny Malagasy mpianatra.
Ny faran'ny herinandro teo no nanazavan'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy Fikarohana Siantifika ny tanjona ary lalana entina hanatanterahana ny fanavaozana ny fanabeazana sy fanovana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara, manomboka io taom-pampianarana ho avy io. Iny faran'ny herinandro iny ihany koa no nanatontosan'ny Groupe Condorcet, seha-mpampianarana tsy miankina, ny fahavononany hiditra amin'izay fanavaozana izay. Miainga, mifantoka ary atolotra ny tanora ny fanabeazana ao amin'ny Condorcet, araka izao fehin-kevitra izao : « Izay fiaraha-monina tsy miara-mandroso amin'ny tanora ao aminy, dia toy ny manakana ny rivo-baovao tsy hiditra ao aminy. Izany hoe nanapa-kevitra ny ho faty izy. » (Kofi Annan)
Noamafisin'ny mpanolotsaina sosialy aoa min'ny kaominina Antannaarivo koa fa, araka ny fanavaozana ny fanabeazana, dia "atao izay hampikamina ny sain'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mora ny handraisana syy hizarana, mora ny hampitana ny fampianarana rehefa voavolavola amin'ny tenin-dreny ny mpianatra, satria anaty tontolo iainany izy, dia ny maha Malagasy azy."
Miara-miombona antoka ny "Tsy miankina"
"Tsy misaraka amin'ny fanjakana ny Tsy miankina, raha mbola eto Madagasikara koa. Samy tanora Malagasy no beazina, ary tanjona iray no tratrarina, dia ny fampandrosoana ny firenena sy ny maha olona" hoy ny filohan'ny Condorcet, Rajoelisona Bakoliarinosy. Nandritra ny andro volaohan'ny varavarana misokatra nokarakarainy ary, dia nasaina manokana ny tale jeneralin'ny NLIM (National leadership institute of Madagascar), Rakotoarivony Huberet, hanazava ny lohahevitra : "Ny fitantanana ny fanovana", amin'ny ankapobeny, ary indrindra eo amin'ny lafiny fanabeazana. Hevitra iray no entian amin'izay : "Inona no tsy misy, ary nahoana moa raha ny toy izao no entina hanatanterahana izany." Fikarohana hatrany no iainana, hahafahana manatsara sy manavao.




Célébration du 14 juillet à Tana
Cliquez sur la première image pour démarrer le diaporama
(Photo : Lucien R.)




Lany andro miofana
Saika isan'andro no handrenesana ity resaka fiofana etsy sy eroa ity. Ny tena matetika ahitana azy io dia ny eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Miditra amin'io sehatry ny fiofanana io mpadraharaha sy ny mpitantanana asam-panjakana maro eto amin'ny nosy. Tsy misy maha-ratsy izany, saingy maro no mametram-panontaniana hoe, sao lany andro amin'ity fiofanana ity isika ? Roa andro na telo andro ve ahavitana ny tena asa fampandrosoana eny anivon'ny fiaraha-monina ? Aleo aloha misy toy izay tsy misy, hoy indray ny hafa.
Nandritra ny taona maro izay, dia mibahan-toerana tao amin'ny maro ity atrik'asa etsy sy eroa ity. Manantena fiovana maro ny mpitazana taorian'izany, saingy toa ny eo ihany no eo. Tsy vitsy no nilaza, fa natao handaniam-bola fotsiny itony endrim-piofanana itony. Inona no andraikitra nentin'ireny olona lazaina fa tsara fiofanana ireny eny anivon'ny fiaraha-monina ? Hambara ho fotoan'ny asa izao, nefa mbola maro no miofana. Natao ho ren-tany ren-danitra ny fiofanana azon'ny sefom-pokontany. Mby aiza ny asa nosahanin'ireny amin'izao fotoana izao ? Toa tsy hita taratra intsony ny tohin'ny asa mivaingana vita, ka mahatonga ny maro hanamafy, fa vola very maina no nampiasaina ireny. Ahiahy tsy ihavanana tsy azo amaivanina ireny re mivoaka ny vavan'ny maro ireny, ka anjarantsika no misaina izany. Ireo sekoly fiofanana maro eto amintsika aloha hatreto, dia tsy heno firy intsony, fa ny eny Iavoloha no toa lasa sekolim-piofanana, satria hita manao izany eny avokoa ny hery rehetra eto amin-tsika.




Kolonely Belone
Nohafahan'ny fitsarana ny lehilahy
Voarohirohy tamin'ny asan-jiolahy mitam-basy ny kolonely Belone. Fanafihana nitranga tany Soavinandriana Itasy ny alin'ny 27 septambra 2007 no niandohan'ny raharaha tany Mandevintena atsimon'i Soavinandriana.
Fandrobàna olona mpanangom-bokatra tany an-toerana no niseho. Nikasa hividy fiara 4x4 ity farany no nokasain'izy ireo ho robaina ilay vola be. Diso anefa ny vaovao voarain'ireto mpandroba ka tsy nisy afa-tsy vola 1 hetsy sy firavaka monja no hita tao an-trano. Voasakan'ny zandary teny amin'ny làlam-pirenena I iny ireto farany ka tamin'izay no nahitana ny fitaovam-piadiana sy ny saron-tava tao anaty fiara.
Nohafahan'ny fitsarana ity manamboninahitra ity ny zoma hariva teo, ary sazy mihatra 5 taona an-tranomaizina kosa no azon'ireo namany niaraka taminy. Tsara ny milaza fa isan'irony olona voarohirohy tamin'ny raharaha 2002 ny kolonely Belone, saingy nanjavona ny tenany, ka tamin'ity sehatra hafa ity indray no nipoiran'ny tantarany.




Mpianatra avy any Texas
Sao miangatra be loatra
Taitra ireo mpianatra amin'ny fampianarana ambaratonga ambony raha nahita ny fomba nandraisan'ny filoha, Marc Ravalomanana ireo mpianatra 22 mianadahy nahavita fianarana avy any amin'ny oniversite tsy miankina any Texas. Ny nanatrika ny fivoahan'ireo mpianatra ireo no antondian'ny filoha Ravalomanana tany Etazonia ary nitondra azy ireo nody an-tanindrazana. Rehefa tonga teto indray, nanaovana lanonana manetriketrika ny fanolorana ny diplaoma teny amin'ny Carlton Anosy, izay natrehin'ny filoha ihany. Tsy vitan'izay fa mbola nasaina niara-nivavaka taminy tany amin'ny Fjkm Imerinkasinina ny alahady teo. Nitohy tamin'ny fiaraha misakafo niaraka tamin'ny ray aman-dreniny avy teny Iavoloha indray ny fanasana. Asa indray izay mbola ho tohiny. Tohina ihany ireo mpianatra eny Ankatso, mahita izany matetika amin'ny fahitalavitra TVM foana. "Raha samy fianarana mandritra ny efa-taona ihany, manana ny fahaizana mitovy na mihoatra noho ireo avy any Texas izahay", hoy ireo mpianatra avy eto an-toerana. Ny tombony fotsiny, mahay teny anglisy lavitra noho ny eto Madagasikara izy ireo. Na ireo mpianatra teratany malagasy izay mianatra any amin'ny firenen-kafa nahazo vatsim-pianarana any ivelany, amin'izao fitondrana izao aza tsy niangarana noho ireto avy any Texas ireto ka lasa saina ihany ireo mpinatra hafa. Na eto an-toerana aza misy sekoly ambony tsy miankina, mitovitovy fiofanana amin'izy ireo. Voaporofo ny fahaizan'ireo mpianatra nofanina teto an-toerana rehefa miasa any amin'ny sehatra misy azy ireo avy.
Njaka Navonisoa




Izahay terak'Itompokolahy Ramanantoanina Etienne sy Itompokovavy Rasoahanitriniala Cécile dia maneho etoana ny fisaorana sy fankasitrahana ireo havana aman-tsakaiza, tapaka sy namana tonga nididododo nankahery sy nampionona ary nitrotro am-bavaka tamin'ny niantsoan'Andriamanitra Ray an'i :
Isaorana manokana :
Son excellence Mgr l'Archevêque
Son excellence Mgr Nonce Apostolique
R.P Vicaire Genéral
R.P Provincialin'ny Zezoita
R.P Supérieur sy ny Communauté St Joseph Analamahitsy
Pretra sy Relijiozy rehetra eto amin'ny Diosezin'Antananarivo




Taratasin'ny mpamaky
Haron-tabebaka
Manintona vahiny maro ny fandehanana any Madagasikara amin'ny fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Mampiaiky ireo namana maro ifanerasarana aty am-pita aty ny zavatra hitany any amintsika :
betsaka ary maro karazana ny zava-mahaliana sy tian-ko tsidihana, ny fotoana no tsy ampy matetika !
mahatsiaro tena ho mpanefoefo tampoka rehefa atakalo vola gasy ny vola vahiny !
aminy dia mora be ny zava-drehetra (nefa koa fantany fa lafo be ho an'ny fahefa-mividin'ny Malagasy) : fitaterana, hôtely, sakafo ; anaranam-po ny fihinanana « filet, langoustes, crevettes » tsy takatry ny volany aty an-dafy ; ambonin'izany ny sakafo dia tsy nialina andro maro tany anaty fitehirizana fa tena vao, ka hafa tsiro mihitsy !
ary indrindra, tsy mba mihafahafa ny Malagasy, tia mandray sy mitafa amin'ny vahiny ary mizara izay kely ananany, mampandroso an-trano mazàna ny any ambanivohitra, na afovoan-tany izany na amorontsiraka !
Mampientana azy ireny tokoa ny tanànan'Antananarivo : tokana aman-tany, miavaka tanteraka amin'ireo renivohitra afirikanina efa notsidihany, satria manana ny maha izy azy, na izy vao hita avy eny amin'ny « route-digue », na tazanina avy eny an-tampon-kavoana amin'ilay mahatsara vahiny iny ny lemak'i Betsimitatatra !
Ny « indro kely » anefa, hoy ireo namana, dia azo tsapain-tanana ary hitan'ny maso ny fahantrana mianjady amin'ny ankamaroan'ny mponina. Tsara tarehy ny arabe, toa mihabetsaka koa ny trano avo be sy ny « villa de luxe » miorina, madiodioa avokoa ny làlana heverina fa hitsangantsanganan'ny mpizaha tany. Fa rehefa itsofohana ny aty tanàna, dia mivangongo ny fako, mihandrona ny rano maloto, manentoento ny fofona maimbo, milalao anaty fotaka ny zaza madinika marobe misaringom-boro-damba na miboridana, be kibon'ny kankana ary mpakalelon'ny sery ririnina !
Mampangotika ny aty fony ny fitangoron'ny ankizy amin'izay vazaha rehetra mandalo, mangataka vola kely, na ny mofo saika harapaka aza toa mahakenda, mahita ireo tànana mitsotra sy ireo maso miangavy ! Hanome, toa tsy hahavaha ny olana, tsy hanome toa mandatsa...
Ny namako akaiky maromaro aza moa dia nivaky mihitsy fa mibaribary loatra ny hantsana manelanelana ny mpanankarena sy ny mahantra ka tena tsy zakan'ny sainy !
Handray ny fivoriana faratampon'ny Firaisana afirikanina i Madagasikara amin'ny taona iry. Izay no fanamby mahamaika ny filoha ka iantsoana fanampiana sy isamboram-bola eran'ny vazan-tany, hanampy trotraka ny trosa tambaben'ny firenena. Efa tafajoro ny tranobe hivoriana, hiitatra ny seranam-piara-manidina, eo am-panorenana ireo trano tsara tarehy handraisam-bahiny, hiverina ho tsara tarehy indray izay rehetra manamorona ny làlana hivezivezen'ny vahiny ambony laharana sy ny mpanaraka azy isan'ambaratonga. Tsy misy hitondra azy hitsangantsangana ao afovoan'Isotry na ao Antohomadinika....
Fara Manajandry (14 jolay 2008)




Toetr'andro
Herinandro tena hangatsiaka
"Tsy tokony hahagaga ny fiovaovaon'ny toetr'andro eto amintsika. Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina ny eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Misy ny fitenenantsika manao hoe tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina". Na izany aza mbola haharitra telo andro eo ho eo ny hatsiaka mamirifiry. Fanambaran'ny teknisiana mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby izany raha nanontaniana izy ny amin'ny toetr'andro ankehitriny izay toa mivadibadika be ihany. Mbetika mangatsika, mbetika mafana. Toy izao ny fanazavana ara-teknika nentiny. "Misy ny rivotra avy any atsimo atsinanana antsoina hoe Alizay. Amin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia mitondra rivotra izay sady mangatsiaka no mando izy io.
Rehefa mitsoka ny Alizay dia saiky mandrivotra avokoa eraky ny faritra maro manerana ny Nosy, indrindra fa any amin'ny faritra avaratra. Misy ihany koa, ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina ihany, ny antsoina hoe "système dépressionnaire" izay mitondra hafanana. Ireo tranga ireo no mifandimbidimby ka mahatonga ny andro mbetika mangatsiaka mbetika mafana".
6&#176;C - 20&#176;C
Amin'izao fotoana izao, manodidina ny 10 ka hatramin'ny 12&#176;C ny maripana ambany indrindra, 19&#176;C no ambony indrindra ho an'ny eto Antananarivo. 6&#176;C ka hatramin'ny 8 &#176;C ny ambany indrindra, 21 &#176;C ny ambony indrindra ho an'ny Faritra Vakinankaratra. 16&#176;C - 20&#176;C no ambany indrindra ho an'ny Faritra Atsinanana, miainga eo Antsiranana ka mipaka hatrany Tolagnaro. 16 &#176;C-19&#176;C ho an'ny Faritra andrefana, avy eo Toliary hatrany Mahajanga. Nambaran'ny teknisiana avy etsy Ampandrianomby fa mbola hitoetra eto amintsika ny Alizay ao anatin'ny 3 andro. Hitohy hangatsiaka arak'izany ny toetrandro indrindra ho an'ny eto afovoan-tany.




Samy nahazo ny anjarany
Hitsiry indray ve ny disadisa eo amin'ny Frantsa sy i Madagasikara ? Resabe nandeha omaly teto andrenivohitra io, indrindra teo anivon'ny mpanao politika. Hiteraka olana eo amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta io, ka hisy fiantraikany eo amin'ny lafiny toe-karena. Ity firenena ity mantsy no isan'ny mpiara-miasa voalohany amin'i Madagsikara.
Rehefa manova dia hatramin'ny farany. Teny fandre amin'ny mpitondra Malagasy io. Matoa nipetraka izay tsy fifampitokisana izay, dia ao raha. Mety hanamaloka ny fifandraisana tokoa izany, saingy hanaiky lembenana amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny ve ny fanjakana Malagasy ?
Hatreto aloha, dia miha-mangatsiaka ny fifandraisana, satria ny firenena tandrefana sy ny tatsinana no hita fa mahazo vahana eto. Ny Alemana, ny Sinoa sy ny Japoney, ny Amerikana. Ireo no toa hifantohan'ny fiaraha-miasa betsaka tao ho ao. Ny mpianatra nivoaka avy any Texas aza toy ny Andriamanitra kely mihitsy ny fandraisana azy. Tsy midika io fa ratsy izany, saingy miha-manalavitra ny Frantsay ny fiaraha-miasa hatreto, na dia hambara aza fa tsy mitombina izany. Iza ary no hizaka ny faty antoka raha miha-lefy io fifandraisiana io, ny Malagasy sa ny Frantsay ?




Fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko
Mbola mafy sy henjana ny ady hanoherana izany
Na dia mirotsaka tanteraka entina miatrika ny ady amin'ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko eto Madagasikara aza ny fandaharan'asa antsoina hoe "FITIA" sy ny tetik'asa "AINA" tamin'ny fahazoana famatsiam-bola avy amin'ny governemanta Amerikana na ny USAID tamin'ny alalan'ny Catholic Relief Services ; dia toa mitombo isa hatrany ny iharan'ny fahavoazana. Maro ny ezaka izay hifanomezan-tanan'ireo minisitera samihafa, eo ihany koa ny komity isan-karazany natsangana mba handrindra ny asa rehetra iadiana amn'ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko,hanara-maso ny fanatanterahana ny drafitr'asa, toa izany koa ny famoahana gazety telo samihafa amin'ny toerana telo tena hisian'ny tranga-javatra ; Toamasina, Toliara, Nosy Be, fa toa tsy mahasakana firy ny firongotr'izany ny zava-misy.
Ny mampalahelo, dia toa ilay olona iharan'ny loza ihany no mapiditra ny tenany anatin'ny fandrika. Mirongatra izay tsy izy amin'izao fotoana izao ny fitadiavan'ny tanora, eny fa na dia ny olon-dehibe efa mananika ny faha efa-polo taonany mahery aza, mandeha amin'irony "cyber" irony mba hizaha olona hiaraka aminy hono. Alefa ny sary sy ny mombamomba azy rehetra, dia misy ny mifanojo amin'ny tanjona niriana. Dia lasa mandeha manatona an'ilay mifanaraka aminy any tany lavitra any (Andafy io). Misy amin'izy ireny no sendra olona tsara toe-panahy. Fa misy dia misy ihany koa no tojon'izay mafaika indrindra, ka lasa ataon'ilay olona noheveriny ho namana, fitaovana fitadiavam-bola ho azy indray.Toa ny entam-barotra, ka izay tiany ataony aminy dia tsy maintsy manaraka ny baikony. Anisany ary tafiditra indrindra ihany koa anatin'ny fanondranana sy fanodikodinana olona antsokosoko izany tranga izany.
Roa taona sahady izay no nisian'ny tetik'asa entina iadiana amin'ny fanodikodinana sy fanondranana olona antsokosoko ity (Aogositra 2006 - Aogositra 2008). Mbola mafy sy henjana ny ady atao hanoherana izany. Mila fanomezan-tanan'ny rehetra izany, koa alao hery ny fanoherana izany sitrany mba ho mihena ny firongotr'izany.




Bizina ve sa ?
Toa betsaka loatra ireto atao hoe seminera sy fiofanana ary mampieritreritra mihitsy tato ho ato. Ny tena mahalasa saina dia ity natao hoe « Conseil supérieur de la Défense natioanale ». Asa raha firy tamin'ireo olomboafidy tahaka ny ben'ny tanàna na depiote no nanatrika, nandray anjara tamin'iny sy namosaka hevitra tao. Raha ny fahita azy tao amin'ny gazety sy fahitalavitra aloha dia ireo miaramila, zandary, polisy sy manamboninahitra isan-karazany, miaraka amin'ireo solontenan'ny ministera atao hoe ministeran'ny fiandrianampirenena no « nikaondoha » tao amin'ity tranobe vaovao tao Ivato. Tsy nisy ben'ny tanànan'i Beroroha, na Ihosy, na Ikalamavony, na Maintirano, na Ambohimandry sy Mahitsy tao. Nefa ny fiarovam-pirenena izany araka ny filazan'ny prezida dia manomboka amin'ny fitsinjovana ny fandriampahalemana, fiarovana ny olona sy ny fananany hatraiza hatraiza.
Raha ny vokatra aloha dia tsy hita fa toa lasa resabe fotsiny. Toa fandamin-drafitra fotsiny no tatitra natao tami'ny filoha. Nefa ange tsy ny filoha no tena mitady an'io fandaminana sy vokatra io fa ny mpadoha hetra, ny Malagasy tsirairay avy na aiza na aiza misy azy e !
Ka mampanontany tena ny filaza hoe nangonina ny hevitry ny rehetra tamin'io fikaonandoha momba ny fiarovam-pirenena teo io.
Ny marina aloha hatramin'izao dia vola be no lany satria tsy maintsy nofana daholo ny fitaovana rehetra nampiasaina tao. Manomboka hatramin'ny fanamafisam-peo ka hatramin'ny sakafo. Asa raha maimaimpoana ny « consultant » sy ny hafa. Ohatrinona no lany tamin'iny.
Ny fantatra aloha dia isan'ny efa voasokajy ao anatin'ny vola ho laniana - ary ampahany betsaka ihany - amin'ireny vola izay trosaina etsy sy eroa ireny ity fanofanana sy seminera isan-karazany ireny.
Fa ny tena mahalasa saina dia nahoana no tsy nanaovana seminera na fikaona-doha toa ireny, nian tsoana ireo mpampianatra, mpampiofana sy raiamandreny ity fampianarana manome lanja ny teny malagasy ity. Indrindra ity fanovàna hoe fito taona ity ny fampianarana fototra eto amintsika. Efa tany am-piandohana, raha vao niposaka ny hevitra hoe atao fito taona ny any amin'ny EPP, no efa maro ireo namosaka ny heviny. Isan'izany ireo tany amin'ny faritra sy ambanivohira. Satria any no tena olana sy tsy afa-miala.
Izao dia tapaka fa atomboka amin'ity taona ity ny rafi-pampianarana vaovao. Asa raha mba nanontaniana ny hevitr'ireo raiamandreny sy mpampianatra any ambany ravin-kazo any. Ny fantatra aloha dia efa namporisika mafy ny mpampindra-bola avy any ivelany.
Satria ve misy ny vola dia tsy maintsy atao na ho any na tsy ho any ? Tsy maintsy hampiasaina ireo vola ireo fa sao dia tsy azo intsony ; izany angamba no tena marina ?




Tsy vitan'ny JIRAMA ny asany
Ela ny ela tonga ihany ny faktioran'ny JIRAMA. Arahaba hafa kely anefa no natolony ny mpanjifa raha nitety tokantrano ry zalahy. Hanapaka ny jiro sy rano izahay, satria tsy mbola nahaloa ny faktiora volana Mey ianareo. Ny faktiora volana jona anefa no zarainy isan-tokantrano amin'io. Gaga anefa ny maro nahitana izany, satria ny grevy nataon-dry zalahy sy zavavy ireo no antony tsy nahavitany ny asany antsakany sy andavany. Alaivo any amin'ny masoivohon'ny Jirama ny faktioranareo, dia aloavy ny vola, fa raha tsy izany tapahanay io.
Tsy misy fifanajana intsony ataon'izy ireo ny mpanjifa, fa manao izay saim-patany ireto mpiasan'ny Jirama ireto. Ny vahoaka indray izany no tadiaviny hanao ny asany.
Izao fomba fiasa izao ve no hitoman'izy ireo ny tombontsoa maro amin'ny sehatra hiasany ?
Tsy ho diso angamaba ny maro raha hilaza, fa hanjakazakan'ny hafa ny fananam-bahoaka toy ity Jirama ity. Izao ve no fanomezana kalitao tsara ny mpanjifa. Mila fiheverana fa mampijaly ny mpiara-belona ny Jirama.




Rajaonah sy ny "Otrikafo"
Malahelo ny zanaky i Lafrantsa
Hitsakitsahin'ingahy masoivoho Frantsay ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Inona no antony hilazany fa tsy navelan'ny filoha Malagasy hanao ny asany izy nandritra ny kabary ho fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay ?
"Fifanarahana efa vita teo amin'ny fitondrana Malagasy ny Frantsay iny", hoy ity mpitarika ny fikambanana "Otrikafo" ity. Nohampatsiahivin'ingahy Rajaonah fa tsy maharaka tantara ity lehilahy ity. Ny taona 1947 dia Malagasy 90000 no naripaky ny Frantsay teo. Ny taona 1972 dia dia noesorin'ny vahoaka Malagasy teo amin'ny fitondrana ny zanaky Lafrantsa dia i Tsiranana izany. Iza no tsy nahalala fa leon'ny didy jadon'io firenena io ny Malagasy ka nirongotra nanala ifotony ny fitondrana zatra nialokaloka taminy ny taona 2002. Tsy nankasitraka ny fijoroan'izao fitondrana izao i Frantsa, ka nilaza fa hajoroy ny Governemanta iraisana. Ny fetim-pirenena natao tetsy Mahamasina tamin'io taona io aza tsy nanatrika akory ny masoivoho Frantsay teto. Tokony hapetraka ny hambom-po maha-Malagasy antsika fa tsy avela ho tsabahan'ny hafa foana.
Tsapa izao, hoy ny Otrikafo, fa may Ambondrona ny filoha Ravalomanana, ka nanaisotra ity masoivoho vahiny ity. Ny tokony ho atao ihany koa dia ny tsy fandraisana ny vola fanampiana ataon'ity firenena iray ity, satria raha mbola mitarazoka aminy isika, dia hiditra hatrany amin'ny fianam-pirenena Malagasy ry zareo.




Ady tany
Raikitra ny eny Andrefan'Ambohijanahary
HIfandritaka ny fokonolona sy ny tompon'ny toby fitsinjaran-tsolika Jovenna eny Andrefan'Ambohijanahary. Ampangain'ny mponina ho nanitatra ny faritry ny taniny amin'ny azy ireo io mpandraharaha io tamin'ny 24 jona teo satria, hono, saika hametaka vatobaorina an-tsokosoko tany anaty tambohon'olona na dia fanitsiana ny faritry ny refi-taniny aza no nolazainy fa hataony tamin'io fotoana io. Trano 10 manodidina ny faritry ny tobin-dasantsy no voalaza fa voakitika tamin'izao raharaha izao ankoatry ny làlam-bahoaka fampiasan'ny mponina.
Hosoka ve ?
Nampanontany tena ihany ity raharaha ity araky ny filazan'ireo voakasika satria hafa ny sarintany hita tamin'ny taona 2001 namaritan'ny Solima Mevasoa, tompony voalohany azy, nefa izao nitarin'ny Jovenna izao taty aoriana ka tanin'olona efa vita kadasitra tany amin'ny taona 1999, araky ny antontan-taratasy nanaporofoan'ireo mponina ny fananany ny tany, no noraisiny ho azy. NIezaka nampifanatona ny ankolafy tafiditra tamin'ity raharaha ity ihany ny fokontany tao Andrefan'Ambohijanahary IIIG-IIIM omaly nefa tsy nivaha ny olana. Nitaky ny hitondrana ny raharaha tanatrehan'ny fitsarana mihitsy aza ny fokonolona nohon'ny fanahiany ny fisiana hosoka tamin'ny fanaovana ny sarintany. Tokontany mifana, samy ao amin'ny tanin'i Gallois taloha avokoa ireto tany ifanolanana ireto saingy ery amin'ny faritra "Enrico Mattei" no azon'ny Solima Mevasoa tamin'izany fotoana izany ary io lasan'ny Jovenna io. Ny faritra "Colombe B" sy "Winoc" kosa no an'ireto olona niitaran'ny refi-tanin'ny Jovenna ireto. Tsy tokony hisy fifangaroana ireo faritra ireo, hoy ny mponina eny satria misaraka mazava sady tsy nifampikasika hatramin'izay. Mieritreritry ny hampandre ny Bianco ireo mety ho very fananana nefa mandeha ny feo eny Andrefan'Ambohijanahary eny fa tsy havelan'ny Jovenna mihitsy io tany efa nofaritany io.




Mitabe tsy lanin'ny mamba
Izay mangina volamena. Ny fahanginana tafahoatra ihany koa naman'ny manaiky. Mitsipaipaika ny fanehoan-kevitra politika eto Madagasikara. Maro amin'ny fianam-pirenena anefa no ilana hakana ny hevitry ny maro.
Mandeha ila tanteraka ny raharaha. Mihevin-tena ho tompon'ny fahamarinana ny olona eo amin'ny fitondrana, ka izay mba manana ny hevitra kely tokony hivoaka, voatapina ny vavany. Ny ankilany ihany koa anefa, raha vao miteny, dia ny handrodana ny fitondrana no masaka ao antsainy. Tsy misy intsony ny marimaritra iraisana, ary tofoka amain'ny zava-misy ny ankamaroan'ny vahoaka. Antso an'efitra lava izao no mitranga. Mandidy dia homana ny mpitondra amin'ireo heveriny ho asa maika atao eto amin'ny firenena. Ireny anefa, dia miteraka fanahiana eo amin'ny ankolafin-kery samy hafa. Isan'io ity fampiharana ny fanovan-drafitry ny fanabeazana ity. Tsy nisy fakana ny hevitry ny manam-pahaizana, isan'anbaratongany. Hany ka any amin'ny haino aman-jery izy ireo no maneho ny alahelony. Toa anjorom-bala lava ny manam-pahaizanamalagasy. Ny mitabe tsy lanin'ny mamba. Apetraho ny ady hevitra hiasan'ny sain'ny maro. Manampy ny mpitondra fanjakana ireny hevitra mipoitra etsy sy eroa ireny, fa tsy hampiongana. Koa raha ao amin'ny rehetra izany finiavana izany, inona no tsy hanokafana ireo haino aman-jerim-panjakana tsy ahafahan'ny fiaraha-monim-pirenena maneho ny heviny ao ? Sa atahorana haningana ?




Matsilo
Ampy izay hoy i Ranjivason
Aleo milaza ny marina halan'andriana, toy izay mamono ny rariny halam-bahoaka.
Mitombo ny disadisa manenika ny fiainam-pirenena sy ny sokajin'olona. Ny lonilony mila tsy ho voatsindry intsony. Tsy zava-baovao izany, saingy mihamahazo vahana. Efa nisy ireo fanairana nataona fikambanana vaventy, iraisam-pirenena, na teratany eto an-toerana na any am-pielezana. Teo ny antso avo tamin'ny Pentekosta nataon'ny FFKM. Ny hafatry ny filankevitry ny Eveka, ny fanehoan-kevitra III, navoakan'ny conecs. Tsy azo hodiana tsy hita ny antsoa ny antoko politika isan-karazany misy eto, sy ny fiaraha-monim-pirenena maro.
Isan'ny navoitran'ny fikambanana Matsilo ireo omaly. Ampy izay, fa tsy maintsy miditra amin'ny fanazavana ny tena zava-misy marina eny anivon'ny vahoaka izahay, hoy ingahy Ranjivason.
Maro ny tolo-kevitra efa narosonay Matsilo hoy izy, isan'ireny ny fanitsiana ny lalam-pifidianana, mba hisoroana ireo savorovoro maro samy hafa. Isan'io ny fanaovana ny bileta tokana, fampiasana ara-drariny ny harem-pirenena handresena ny fahantrana. Ny hita anefa dia manetsin-tadiny ny mpitondra, ary mamasobasoka an'ireny tolo-kevitra ireny no volankankafotra ny vavany. Mampalahelo ny fianam-bahoaka, satria miaka-midina toa nifin-tsofa ny ampahan'isan'ny mponina mahantra. Midangana ny vidin'entana ilain'ny vahoaka andavan'andro. Isan'io ny hofan-trano, ny JIRAMA, ny saram-pitanterana, vidin-tsolika ary ny kojakoja ilain'ny mponina amin'ny fambolena.
Ny Matsilo dia manameloka tanteraka ireo fanao tsy ara-drarinymisy, mangeja ny fahalalahana, mihevitra ny vahoaka ho zaza ary mampidi-doza ny firenena. Manentana ny olon-drehatra ho mailo ny Matsilo, na ny mponina eto an-tanindrazana na any ivelany sy ireo mpiara-miombon'antoka mba tsy hihamangidy sy hihamangeroka noho izao toe-javatra misy eto amin'ny firenena izao.
Nandritra ity fihaonan'ny Matsilo tamin'ny mpanao gazety ity ihany no nilazany ny heviny momba ny resaka fanovana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara. Tokony hisy ny fiarahana midinika vao manampan-kevitra. Ny oniversite eto amintsika aza tsy nahafantatra ity fanovana ity. Ny maika izao, dia ny fanampiana ireo mpampianatra izay hita fa tsy maharaka ny sehatra izay tokony hanabeazana ny zaza Malagasy. Ilana ny fampihenana ny ankizy ao andakilasy, satria raha ny eto amintsika dia mbola misy mpianatra 60 ao amin'ny kilasy iray. 30 raha be indrindra no tokony ho izy. Ity fanampahan-kevitra maimaika ity no tsy mahatafarina ny fampianarana eto amintsika.




Vola maloto
Banky Soisa. Bankin'ny mpanan-karena. Olom-panjakana maro no tompon'ny petra-bola maro ao, ary isan'io ny olo-maventy eto amin'ny firenena. Iza avy izy ireo ? Eo indrindra isika izao, satria dia nilaza ny filoha Ravalomanana fa tsy mahazo mametraka vola any amin'io firenena io intsony ny filoham-pirenena. Hatreto aloha, dia tsy voafaritra mazava, na ny eto Madagasikara irery na ny eran'izao tontolo izao. Midika io teny io, fa famotsiam-bola maloton'ny mpitondra fanjakana ny banky ao Soisa.
Kolikoly etsy kolikoly eroa. Porofo iray tsy azo hialana io tenin'ny filoha Ravalo omaly teny Faravohitra io, fa olo-maventy maro no tena tompon'ny kolikoly. Ny madinika hatrany anefa no heno amin'ireny haza tratry ny BIANCO ireny, fa ny ngezalahy mbola tsy nandrenesam-peo. Ataovy ny mangarahara, satria ady amin'ny famotsiam-bola maloto no atao. Henjana ny fanaraha-maso ny mpiasa madinika amin'ity sehatra iray ity, ary tokony ho toy izany ihany koa ny an'ireo vaventy.
Nanaitra ny maro ihany koa ny nandre omaly fa ho henjana ny fanaraha-maso ireo vola miditra eto. Toa ankolaka no hilazana ireny, fa vola entina hanakorontanana ny firenena hinian'ny sasany ampidirina eto, ka aleo mailo ? Efa fantatra ireo, hoy ny mpitondra.
Iza ireo ? Tsy aleo ve tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka, mba ho mailo ny rehetra. Hatreto aloha, dia maro no tsy te-hieritreritra na maloto io vola io na madio, fa izay hinanan'ny ankohonany no ataony. Mbola porofon'ny fahantrana io, ka aoka tsy ho toraham-bato izy ireny e.




Kaonty any Soisa
Tsy afaka mametra-bola any intsony ny filoha
"Ho hentitra ny fanjakana amin'ny fanaraha-maso ny vola miditra eto Madagasikara. Tsy maintsy fantarina avokoa ny hampiasana azy, fa tsy ho avela ho gaboraraka, ka samy manao izay hitiavany azy ny rehetra. Tsy azon'ny filoha atao intsony ihany koa ny manokatra kaonty amin'ny banky ao Soisa hitahirizany ny volany". Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io omaly raha nitokana ilay sampandraharaha misahana ny ady amin'ny famotsiam-bola tetsy Faravohitra izy.
Samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny hisian'ity sehatra iray ity ny filoha sy ny ministry ny Fitsarana, satria làlana iray hirosoana amin'ny ady amin'ny famotsiam-bola maloto izy io.
Raha hiverenana ity fametrahan'ny mpitondra ambony eto amin'ny firenena kaonty any Soisa ity, dia niteraka olana lehibe izy io, raha tsy hiteny, afa-tsy ny fanagiazana ny volan'ny Praiministra Tantely Andrianarivo isika, saingy tsy nanaiky izany ny banky Soisa. Hatreto izany, dia fomba hisorohana ny mety ho fanodikodinam-bolam-panjakana ity fepetra noraisina ity.
Firy amin'ny mpitondra ankehitriny no manana kaonty any ivelany toy ny any Soisa ? Ataovy ny mangaraharaha e.




RAKOTOMANGA John Nirina mianadahy avy sy ny fianakaviana manontolo dia maneho etoana ny fisaorana tamin'ny nidodoanareo nohon'ny nahalasan'ny malalanay :
Andriamanitra anie hamaly fitia anareo.
Miala tsiny ho an'ireo tsy tratra antso nohon'ny hafenoan-drano be loatra.
Cité Ampefiloha
Logt 534
Antananarivo 101




Aretin'i Pety Rakotoniaina
Nisy fiantraikany ny famatorana rojo vy azy
Etsy Befelatanana i Pety. Mitsabo tena vokatry ny aretina mikiky azy. Ny zoma alina teo no nalefa haingana ao amin'io hopitaly lehibe eto andrenivohitra io ny lehilahy, satria mihombo ny aretina mahazo azy.
Gaga izahay hoy ny mpikambana ao amin'ny Tambatra nandre, fa nanao Grevy tsy mihinan-kanina i Pety. Lehilahy be herim-po tahaka azy, izay hita fa sahy misedra ny mafy ve hanao izany ? Raha ny fantatray hoy ihany ireto lohan'ny mpisorona ao amin'ny Tambatra mipetraka eto andrenivohitra ireto, dia ny aretina nahazo azy teo aloha io. Ny fanenjehana azy, sy ny fametahana rohy vy amin'ny tànany roa any aoriana io. Iza no tsy nahalala fa narary ny tenany vokatr'iny, satria any Fianarantsoa ka hatraty andrenivohitra ve no atao izany ity ben'ny tanàna ity ? Ho hita eo ny vokatry ny tatitra ataon'ny mpitsabo, fa ny hita aloha, dia vory lanona ny mpitandro ny filaminana miandry azy eny amin'ny hopitaly. Izahay Tambatra no mifarimbona mikarakara azy eny, na ny vidin'ny fanafody, na ihany koa eo amin'ny lafiny ara-tsakafon'ny marary. Kely ny herin'ity filohanay ity, hoy ireo mpikambana Tambatra, nefa tsy ataonay maha-kivy izany, fa ny mitsabo aloha izao no atao. Efa ela no nilazana fa tsy ara-dalàna ny fahasalamany, nefa mbola nahiboka tao am-ponja ihany, ary tsy nahazo fahafahana mitsabo teny taty ivelany. Io efa mihamihombo io ny aretina vao taitra ny mpitsabo tao amin'ny fonja sy ny ministeran'ny Fitsarana, ka io nalefa haingana etsy Befalatanana io ny lehilahy. Araky ny tatitra nataon'ireto mpikatroka ao amin'ny Tambatra ireto taminay mpanao gazety, dia voafantina ihany ny olona afaka mamangy an'i Pety Rakotoniaina.




Vola maloto daholo
Hifandroritana indray ity resaka vola maloto nambaran'ny filoha ny zoma teo. Inona no atao hoe vola maloto ? Isika rehetra no andeha hiara-hamakafaka eto.
Misy ny vola azo tamin'ny zava-mahadomelina, ka avadika hanaovana asa sosialy avy eo. Ny mpiara-belona no mahazo tombony amin'ireny, saingy be lavitra noho izany ny azon'ny tompon'ny ati-doha. Tafiditra antsokosoko eto ny vola entina hanakorontanana fanjakana. Vola maloto ihany koa izany. Ny famadihana ny vola maloto ho entina hampidirina sy mivoaka eto, nefa tsy fanta-piahaviana, mbola sokajian'ny maro ho vola maloto izany, satria io no hita fa tetika maty paika hanaromana ny fiandohan'ilay fananana. Ny volam-panjakana azo tamin'ny tsy rariny, maloto ireny fa tandremo. Ny hafetsifetsena amin'ny hatsembohan'ny sasany, maloto sa madio. Isika rehetra no hitsara izany.
Raha mahita ny tena zava-misy eto amin'ny firenena anefa isika, dia saika hiainana eto isan'andro ireo. Ny mpitondra rehetra teto hatramin'izay. Moa ve tsy teo amin'ny fitondrana izy ireny vao nahavita villa roa fara-fahakeliny ? Madio sa maloto ny vola nanaovana ireny ? Ny fiara tsara tarehy isan-karazany tsy lazaina intsony. Aiza no tena ahitana ny vola madio ? Any amin'ny mafy ady. Ny antony, dia ireo olona mitrongy vao homana amin'ny karamany isam-bolana no tena hipetrahany ny fahamarinana. Ny antony, dia tsy mba afaka manodim-bola maloto ho madio izy ireny. Tsy afaka mitroatra fa na atody iray aza anaovana afera, dia ny fonja no miandry azy. Mba toy izany ve ny olona sasany ? Tsy ho gaga isika raha raikitra ny ady lahy politika isaky ny misy fiovana eto. Malahelo ilay fihinana, ka inona intsony no antenaina. Soa aloha ho an'ny hafa fa efa nahangona, ka ny mamadika izany ho amin'ny sehatra hafa sisa atao. Tsy izay mitondra rehetra kosa anefa no manao izany, fa ao ny tena miasa amin'ny fitiavan-tanindrazana. Mba tsarao anie ny fananan'izay olona miala eo amin'ny fitondrana e. Inona no fananany raha vao niakatra teo izy ? Isika rehetra mahita izany, ary izay angaha ilay teny hoe nampindramina fahefana ry zalahy. Ny rakitra hatrany ampiangonana aza mbola tafiditry ny vola maloto. Manantena isika fa hangaraharaha ny ampamoaka ireo tena mpanodina vola maloto eto amin'ny tanàna, satria loto no resahina ka ahiana ho maimbo manerana ny tanàna raha mihanaka ny otrik'aretina.




Nahena ny fihinanan'ny minisitra
Ny soa fianatra. Endrika iray hisoroana ny mety ho fahavoazan'ny vahoaka ao aminy no nataon'ny mpitondra tatsy Côte-d'Ivoire ny alahady teo. Làlana iray tsy azo hiodivirana ny sondrom-bidim-piainana manerana izao tontolo izao. Miditra an-tsehatra ny mpitondra any amin'io firenena io, ka ny fampihenana ny fandaniana ataon'ireo mpitondra isan'isany no natao voalohany. Ny fivoahana mitety faritra sy firenena, dia tsy azo natao intsony, raha tsy tena misy antony goavana. Ny karaman'ireo minisitra ihany koa dia nahena avy hatrany. Nalefa natao aro-riaka any amin'ny fiainana ara-tsosialin'ny vahoaka ireo vola ireo. Ny hetra alaina amin'ny vidin'ny solika ihany koa dia nahena, mba tsy hanondrotan'ireo mpaninjara solika ain'ny toe-karena ity. Niaiky ny maro, fa nisy fidinany hatrany amin'ny 124 dolara ny vidin'ny barilan-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Ny fitondrana Ivorianina kosa, dia misoroka mialoha no ataony.
Raha mitodika eto amin-tsika ny maso. Inona no sakana tsy ahafahan-tsika mampihena io fandaniana io ? Tsapa mantsy fa handeha hiala sasatra avokoa ny ankamaroan'ny minisitra rehetra. Vola be no ho lany amin'izany. Ny vahoaka anefa eto, dia miaritra ny tsy fisiana sy ny fahantrana isan'andro. Raha ireny vola be nandehanana mankany ivelany lava ireny no navadika tamin'ny sehatra hafa, moa ve tsy efa mba nahafaka ny ampaham-pahorian'ny Malagasy ?
Marina fa efa nisy ny fepetra noraisin'ny fanjakana amin'ny filazana fa ho ampiana ireo mpitatitra tsy nampiakatra ny saran-dàlana, ary toy izany koa ny orinasa mpaninjara entana toy ny menaka. Mahasoroka ny fidangan'ny vidim-piainana ve ny toy izao ?
Zatra mpaka tahaka ny ataon'ny any ivelany isika eto Madagasikara, inona no tsy hampiharana ny toy ny tany Côte-d'Ivoire farany teo ?




Jeneraly Razakarimanana
Miverin-dàlana ny tolona
"Ady amin'ny fahantrana. Ventesina isan'andro, saingy tsy mety resy fa mahazo vahana amin'ny fiainam-bahoaka isan'andro. Vokatry ny andrankandrana isan'andro mihiratra ataon'ny mpitondra io". Isan'ny nambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand tao amin'ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny alahady teo.
Isan'io ny nidirana tamin'ny MAP izay nasolo ny DSRP. Ny fanovana ny faritany mizaka tena, ka nivadihana tamin'ity rafitry ny faritra ity. Io mbola hiarahana mahita io ny vokatry ny zava-misy. Tsy nisy notohizana ireo asa natao teo aloha. Ny olona nomena fahefana ihany koa toa tsy sahy mandray andraikitra, satria mitoetra angaha ny tahotra ? Miditra indray amin'ny fanovan-drafitra eo amin'ny sehatry ny fampianarana isika. Sao mba atao sorona amin'io indray ny zaza malagasy ? Isan'ny mpikambana ao amin'ny "MATSILO" ity Jeneraly ity, ary mitaky ny hisian'ny fiaraha-midinika haingana. "Tsy vitan'ny mpitondra samy irery ny fampandrosoana. Mandinika ary manara-maso ny asan'ny mpanatanteraka izahay MATSILO. Madray fanampahan-kevitra avy eo. Hita fa mandeha amin'ny tsy tokony ho izy intsony ny fiainam-pirenena. Hitety faritra izahay", hoy Razakarimanana. Ho hita eo ny fanapahan-kevitra farany.




Tsenan'Ivato
Marary saina hoe ilay zandary nitifitra ?
Androany indray vao hiakatra fampanoavana ny raharaha fitifirana tovolahy nataon'ilay zandary teny Ivato milaza fa mpiasan'ny fiadidiana ny Repoblika. Nihemotra izany raha tokony omaly maraina. Ny 11 aprily tamin'ny 4 ora hariva, tao amin'ny fivarotana fisotroana ity tovolahy ity no notifirin'ilay zandary basy. Maty teo no ho eo ihany izy satria niditra teo amin'ny tratrany ny bala ary tafavoaka tany an-damosina. Tsy nisy fikarakarana nataon' ny fianakavian'ilay namono fa nolazain' ireo havany fa marary saina aza ilay zandary nitifitra.Tsy nisy koa ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Roa volana katroka aty aoriana, ny 12 jona teo vao nisy ny famotorana nataon'ny borigadin'ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana. Nantsoina tamin'izany ny fianakavian'ny maty, ny tompon'ilay toeram-pisotroana, lehilahy sy vehivavy iray niaraka tamin'izy ireo nanatri-maso ny fitifirana.
Tsy misy hifandraisany ilay nitifitra sy ilay maty fa ilay namany antsoina hoe Tojo no niantso ilay tovolahy tao an-tranony . Efa tao amin'ny toeram-pisotroana kosa ilay zandary efa nisotro hatramin'ny maraina. Milaza fa manana fianakaviana zandary ity nitifitra ity, ary samy miasa amin'ny fiadidiana ny Repoblika avokoa.
Nentina teny Anjanamasina ilay lehilahy saingy tsy naseho ny fianakavian'ny maty akory. Tsy misy afaka manaporofo fa marary saina tokoa. Manalabaraka ny fitondrana sy ny fiadidiana ny Repoblika ny tahaka izao satria matetika dia manararaotra ny anaran'ny filoham-pirenena ny toy izany, na misandoka. Miaramila ve harary saina ? Tsy hampiasa olona tahaka izany koa ny fiadidiana ny Repolika. Tany Antsirabe ilay zandary no hita ary ny sabotsy teo vao nentina niakatra teny Fiadanana. Nitonona ho zandary avokoa ary olona akaiky ny filoha ny havan'ilay nitifitra ka matahotra ny fianakavian'ny maty.




Kaominina Antananarivo
Miala any ny fanilihana ireo tsy nahomby
Mandindona ny fanesorana ireo tompon'andraikitra ao Tsimbazaza. Miahiahy ny amin'ny toerany ireo olona manodidina an'i Andry Rajoelina, ben'ny tanàna amin'izao fotoana izao. Hisy mantsy ny fanadiovana hataony ato ho ato. Ho voahilika manokana ireo olona izay hita fa tena nampikatso ny asa teo anivon'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Voakasika mivantana amin'izany ireo olona izay nantsoin'ny ben'ny tanàna hiara-hiasa taminy tao amin'ny kabinetrany.
Hisy amin'ireo lefitry ny ben'ny tanàna ihany koa hiongotra eo amin'ny toerany. Hitohy hatrany amin'ireo tale isaky ny sampan-draharaha ao amin'ny kaominina ny fanadiovana. Ho voahilika amin'ny toerany ihany koa ny sasany amin'ireo delegen'ny boriborintany. Efa misy ihany anarana mandehandeha saingy mbola mijanona an-dalantsara fotsiny izany.
Isan'izany ny lefitry ny ben'ny tanàna sy ny tale maromaro, ny delegen'ny boriborintany. Maro amin'ireo sefo fokontany 192 eto an-drenivohitra ihany no koa mety handao ny toerany.
Enim-bolana no fe-potoana nomena azy ireo hiandraikitra ny asa. Fampanantenana nataon'ny ben'ny tanàna nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny ny tsy maintsy hanomezana fahafaham-po ny vahoaka momba ireo asa fampandrosoana. Nisy tamin'ireo tompon'andraikitra ireo no tsy nahomby ka tsy maintsy ho voahilika. « Zava-dehibe izay fandraisana fanapahan-kevitra ataon'ny ben'ny tanàna izay, mba hanadiovana tanteraka ireo izay tena miasa ao amin'ny kaominina, mba tsy hanaratsy endrika ny tenany eo amin'ireo vahoaka izay nifidy azy » araka ny fanazavan'ireo mpanao politika sasany. Tsimaniraka fils




Manakara
Any an-toerana ny filoha nasionalin'ny TIM
Manoloana ny fahitàna ilay zavatra hita misaodisaody manodidina an'i Madagasikara, any amin'iny fari-dranomasin'i Manakara iny, ny herinandro lasa teo, dia nisolo tena ny fitondram-panjakana nandeha nijery akaiky izany tany an-toerana ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Yvan Randriasandratriniony.
Ny Alatsinainy 21 Jolay 2008 dia nisy ny fivorian'ny OMC-Région tany Manakara, nahitàna ny tompon'andraikitra sy ny manam-pahefana any an-toerana, ny avy amin'ny Pôlisim-pirenena, ny minisiteran'ny Jono ary ny avy amin'ny ministeran'ny Fiarovam-pirenena, nandinika sy nandray ny fepetra rehetra tokony hatao manoloana ny fisehoan-javatra toy izao mba hampandriana fahalemana ny tany. Nanatrika izany ny Filohan'ny Andrimpanjakana ambony Yvan Randriasandratriniony.
Miendrika balaonina toy irony fingotra lehibe fampiasa amina sambo roa mifandona irony na antsoina hoe : « défense pneumatique » ary miloko mainty, ity zavatra hafahafa hita any amin'ny morontsirak'i Manakara ity. Tsy fantatra mazava na rivotra fotsiny no antony mampibotsina azy io na misy zavatra hafa mihitsy ao anatiny. Rehefa natao ny fandinihana dia mety koa nisy sambo roa nifampita entana ka votsotra ilay fitaovana nampiasaina manamora ny famindràna izany. Ka na ilay fitaovana no io mitsingevana latsaka anaty ranomasina io na ilay entana nafindra mihitsy.
Ka mila mailo isika Malagasy manoloana ny toe-javatra miseho toy izao satria mety ho fitaovam-piadiana na zava-mahadomelina na harenan'i Madagasikara aondrana no nifanakalozan'ireo sambo. Koa nanentana ny vahoakan'i Manakara ity solontenan'ny fitondram-panjakana ity mba ho mailo sy hitandrina manoloana ny fisian-javatra tsy fahita any an-toerana. Ary ny fisehoan-javatra toy izao no hiezahana hanehoana ny firaisankina sy hanatanterahana haingana ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP amin'ny lafiny fampanjakàna ny fandriampahalemana eto amintsika.
Raha ireo vaovao avy amin'ny solontenan'ny fitondrana no dinihina tsara dia tsy mbola mazava ity resaka ity. Hatramin'izao dia tsy hita porofo fa basy na fahana basy no ao, na tao. Ny mapiahihahy dia mety ho fitaovana nanondranana zavatra fotsiny izy io. Marihina ihany koa fa tokana izy io fa tsy maro araka izay mety ho fieritreretana azy. Na izany na tsy izany dia « Ramalina aza mifehy hazo tokana », hoy ny fiteny.




Mamono antoka ny omby masiaka
Tsy lasa intsony e. Na dia nokolokoloina nomena ny vilona isan-karazany aza ny omby masiaka avy eto Madagasikara, dia tsy nahatrongy intsony. Io no andeha entina hilazana ny vokatry ny lalao ataon'ny Barean'i Madagasikara atsy Afrika atsimo.
Tsy mety mandresy, fa na resy, na manao ady sahala. Ny mpilalao mihitsy ve no tsy mahomby sa ny mpanazatra no tsy alehany ? Natao daholo ny tetika isan-karazany, niainga tamin'ny fandravana ny federasiona, ka nampihatoana antsika nandritra ny volana vitsy teo amin'ny taranja baolina kitra. Inona no teo, fa resy hatrany isika, ary nampihetry ny baolina kitra Malagasy ny vokatra tao ho ao. Tsy mety tafarina toy ny fari-piainan'ny Malagasy izy ity, na dia maro aza ny fanafody noheverina hitsaboana ny fery. Inona moa no fahotana raha napetraka ilay tetika nataon'ny ministra teo aloha izay nosoloina nilaza fa aleo hiainga any ifotony mihitsy ny fanatsarana ity baolina kitra ity ? Fepetra tokony hotohizana io, fa tsy sanatria tsy manana olona mahay baolina kitra afa-tsy ireo hita lava mandrafitra ny Barean'i Madagasikara ireo isika. Asio ny fifaninanana isaky ny faritra 22 ahitana izay tena mahay. Avereno ny kitra isam-pokontany, ary omeo ny fanampiana sahaza azy ireo ankizy ireo. Ho azo antoka afaka roa taona na telo taona fa hipoitra ny tena mpilalao mahay, afaka hanandratra ny voninahi-pirenena. Raha tsy hoe hanjakan'ny kiantrano indray angaha itony ankizy ho avin'ny firenena itony.




Fanambaran'ny filoha Ravalomanana
Matanjaka izahay mpanohitra, hoy Vaovao Benjamin
"Io indray ny fanjakana. Fanosoram-potaka ny mpanohitra no ataony. Aiza no ahitanay mpanohitra fitaovam-piadiana ampidirina eto ? Raha izany no izy matanjaka anie izany izahay e". Io no nambaran'ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin, mpikambana ao anatin'ny antoko AREMA.
"Tsapa fa misy olona mahazo tombotsoa betsaka amin'izany eto, ka ahilika aty aminay io. Toy izany koa ny mety hanarian'ny sasany fako simika aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara.
Tranga efa nisy taloha io fony fitondran'ny Profesora Zafy Albert, ka namono ireo hazan-drano maro tany anaty ranomasina. Hatreto dia hita fa misy tahotra anay mpanohitra, ka izay zavatra mitranga, dia toa heverina ho izahay hatrany ny ati-doha mikotrika".




Antsirabe
Zanaka mpiandry no tontakely ao am-piangonana
Hatrany am-piangonana mandritra ny fanokanana mpiandry no hiasan'ny asan-devoly ary tsy lavitra tsy akory fa dia ny zanakin'ny mpiandry ao am-piangonana ihany no manao ny asan'ny maizina amin'ny fanaovana tontakely.
Nandritra ny fanokanana mpiandry farany teo tao amin'ny toby Ambohimahazo Antsirabe no niseho ny raharaha, very nisy nangalatra ny kitapon'ny filohan'ny mpiandry, fakan-tsary, vola, enta-madinika maro samihafa no tao amin'ny kitapo. Tovolahy 14 taona no nanafina ny entana ary nilaza tamin'ireo namany ny toerana nasiany azy, ireto namany indray no nitady mpividy ny entana ka nifanojo tamin'ny olom-pantatry ny tompon'ilay entana. Teo no nanomboka noraisim-potsiny ireo ankizy. Ny nahatsikaiky dia tsy nifankahita ilay tovolahy tena nangalatra ny kitapo sy ireo namany raha tsy efa teny amin'ny mpitandro ny filaminana.
4 mirahalahy no notanana am-ponja vonjimaika ary samy zanaka mpiandry avokoa izy rehetra.




Ny vadiny :
RAJAONARIVELO ANDRIAMANDROSO Jean Lala
Ny zanany :
Ny Aina RAJAONARIVELO Andry Tiana
Ny Aina RAJAONARIVELO Zo Heritiana
Ny rafozany
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo aminy vadiny
Ny fianakaviana iray manontolo dia maneho fisaorana sy fankatelemana feno ho anareo rehetra tonga nidodododo nampahery sy nampionona azy ireo, tamin'ny fahalasanan'ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy. Ary miala tsiny amin'ireo izay tsy tratra antso noho ny hafenon-drano be loatra.




Mahatsiaro anao am-bavaka mandrakariva izahay ary tsy ho adinonay mihitsy ianao.
Ny vadinao :
RAZAFIARINOSY Arsène
Ny zanaka aman-jafinao
Ny fianakaviana manontolo




Ny Komity Mpitantana
sy ny Mpiara-miasa eto amin'ny OSTIE
dia mampandre amin'ny alahelo lehibe fa :
dia nodimandry ny Talata faha 22 Jolay 2008.
Ny razana dia hiala eto Antananarivo ny Alakamisy 24 Jolay 2008 ary ho entina any Ambohitsinjo Ambatofinandrahana.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.




Tandremo ny sakaizan'ny mpandresy
Tokony ho fitaratra eo amin'ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena ny ADEMA. Manomboka izao, dia hisy ny fijerena izay ho taniketsan'ny baolina kitra Malagasy. Ireo tovolahy 13 ka hatramin'ny 15 taona, manana halava 1m 65 raha kely indrindra no ilaina. Ho fitsinjovana ny fananana vatana lehibe sy lava no kendrena amin'io. Na eo aza aloha izay, dia tsy tokony ho adinoina kosa ny tsy ampy refy, manana fahaiza-mitondra baolina ny olona toy ireny, ka tokony hisy fijerena manokana. Araka ny tetik'asan'ny ADEMA ihany koa, dia avondrona ao amin'ny sekolin'ny fanatanjahan-tena ireo zatovolahy ireo ka hisy mihitsy fampianarana mandritra izany.
Raha ny sehatry ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena aloha izany, dia ny ADEMA, no nisantatra izany tamin'ny alalàn'ny tetik'asa mivaingana toy izao. Ekena fa efa im-betsaka ny fitondram-panjakana no nampanantena fa hijery ny fanatanjahan-tena eto an-toerana, saingy mitoetra ho fampanantenana izany hatreto. Midika izay, fa toa ny "tsy miankina" indray no dodona, ka mametraka lamina maty paika ho fampandrosoana ny fanatanjahan-tena, tsy hono hono rahateo ny azy fa efa tongotra mby an-dakana. Raha misy andanin'izay, ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina, hisian'ny fampandrosoana, dia azo antenaina ny ho avin'ny fanatanjahan-tena Malagasy, raha ny fomba fanao kosa anefa no mbola hotohizana, dia ho nofy izany. Tokony hialàna izany, ny manao tsobo-dranon-dRamiangaly, ka tsapatsapa no betsaka, indrindra rehefa misy ny vokatra tsara azon'ny mpanao fanatanjahan-tena, dia hay ery ny milaza fa hisy ny fiaraha-miasa. Rehefa misy kosa ny fahavoazana dia mangina tsy misy mpiresaka. Izay ilay manao sakaizan'ny mpandresy. Raha tsara ny vokatra dia namana, rehefa ratsy, dia tsy fantatra.




« Caisse d'Epargne »
Mitokona ny mpiasa anio
Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana dia hitkona ny mpiasan'ny "Caisse d'Epargne de Madagascar". Hosahirana ny orinasa noho izany. Nolazain'ireo mpiasa fa "miziriziry tsy mety miresaka hamahàna ny olana mianjady amin'ny orinasa ny mpampiasa ao". Marihina anefa fa efa feno 90 taona ny Caisse d'Epargne de Madagascar. Izy irery ihany sisa no mbola foibe fandraharahana ara-bola malagasy an'ny Fanjakana, "saingy raha izao toe-javatra misy eo amin'ny fitantanana amin'ny endriny ankehitriny izao, dia ho potika tanteraka ny orinasa ", hoy ny solotenan'ny mpiasa. Mbola izy ireo ihany no nanamarika fa isan'ny toe-javatra mahamenatra" ny tsy nahatanterahan'ny famatsiam-bola avy amin'ny MCA ho an'ny" Caisse d'Epargne "tamin'ny taona 2004". "Noho ny fomba fiasa tsy matotra nisy no nahatonga izany, hany ka ny sehatra hafa no nahazo io famatsiam-bola io", araka ny fanambarana hatrany.
Sendika
Nohamafisin'ny mpiasa an-kilan'izay, fa tompon'andraikitra tanteraka amin'ny areti-mikiky ny orinasa ireo mpampiasa noho izy manidy varavarana tsy mety hifanakalo hevitra ho amin'ny fampandehanana ny asa. "Mbola hiala nenina anefa izahay", araka ny fanamarihana nataon'ny solotenan'ny sendika. Amin'ny alalàn'ny fitokonana faobe mandritra ny 24 ora no atao, hikatona tanteraka ny "Caisse d'Epargne de Madagascar" eran'ny Nosy anio tontolo andro. Mety hitohy mandritra ny andro tsy voafetra io raha toa ka mbola mitohy ny fizirizirian'ny tompon'andraikitra ao anivon'ny orinasa.
Tsy karama no olana
Tsy mitaky ny fisondrota-karama ny mpiasa. Ny fampiharana ny lalàna 2005-728 tamin'ny 08 Novambra 2005 no takian'izy ireo. Takiany koa ny fananganana ny filankevi-pifehezana (CODIS), izay mbola tsy misy hatramin'izao, Torak'izay ny fanavaozana ny fifanarahana iombonana, ny fampidirana ny mpiasa ho ao anatin'ny filankevi-pitantanana, ary ny fampidirana ny mpiasa ho anisan'ny tompon'ny petra-bola ao amin'ny "Caisse d'Epargne de Madagascar". Efa noraisin'ny tompon'andraikitra avokoa ireo fangatahan'ny mpiasa ireo, saingy tsy namaly izany ny mpampiasa.




Ny Komity Mpitantana
sy ny Mpiara-miasa eto amin'ny OSTIE
dia mampandre amin'ny alahelo lehibe fa :
dia nodimandry ny Talata faha 22 Jolay 2008.
Ny razana dia hiala eto Antananarivo ny Alakamisy 24 Jolay 2008 ary ho entina any Ambohitsinjo Ambatofinandrahana.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.




Taratasin'ny Mpamaky
Fiangonana mandrava didy folo
« Miantso ireo mpitondra fivavahana rehetra Fiangonana iray, manana ny foto-pampianarana hoe « Rava ny didy folo sy ny lalàn'i Mosesy », manana ny foibeny eny Ambohidrapeto Itaosy, no nanao antso ho fanasana an'ireo mpitondra fivavahana izay mitandrina na mampitandrina izany didy folo sy ny lalàn'i Mosesy izany, ho tonga hanao ady hevitra ao amin'ny onjam-peon'izy ireo , dia ny radio HFF,97.2 Fm, ny alahady faha 27 ny volana jolay ho avy io, izay hanomboka amin'ny 8 ora alina.
Re tao amin'ity onjam-peo 97.2 Fm ity mantsy ny antso nataon'ny mpitondra tao amin'ity fiangonana ity, dia ny « Episkopo Samuelson Edouard », fa mahafaty sy mampivarina any amin'ny helo (afobe) ny fitandremana ity « didy folon'Andriamanitra ity ». Manao antso ihany koa ny tenany ho an'ny mpitondra fanjakana malagasy, sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila eto amin'ny tany sy ny firenena, mba hiaino izany famelabelarana ara-tsoratra masina ao amin'ny onjam-peo 97.2 FM izany. Mila izany ny firenena, hoy izy.
Aleo, hoy ihany ity mpanompon'Andriamanitra ity, mba ho hitan'ny vahoaka ny tena fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra. Izany no antony nanaovany ity fanasana ho an'ny mpitondra fivavahana mandala ny didy folo ity. Fiangonana miisa 12 eo ho eo moa no efa nandefasana ary nahazo izany fanasana izany.
Hafakely indray ity indray mitoraka ity, satria raha « fifanetrehana ara-politika » no matetika hita amin'ny fahitalavitra sy any amin'ny onjam-peo, dia tsy izany kosa amin'ity indray mandeha ity, fa « fifanetrehan'ny mpitondra fivavahana samy manana ny ny foto-pampianarany ». Ny andaniny mandrava didy folo, ary ny ankilany kosa mitandrina ny didy folo. Ho hita eo tokoa izay tena marina amin'izy ity. Ny mahalasa saina amin'izy ity, ary betsaka no mametraka fanontaniana, dia maninona tokoa moa no lazaina fa tsy ilaina intsony ny didy folo e ? Didin'Andriamanitra io, ka maninona no ravàna ? Tsy anjaranay no mamaly an'io, fa ho hita eo ny valin'izay amin'io alahady alina io. Ny hirariana dia ny ahatongavan'ireo mpitondra fivavahana hanatrika ity fifanetrehana atao ao amin'ny onjam-peo 97.2 Fm ity, fa raha tsy izany dia tsy hiady ny baolina. Koa miandry anareo ny malagasy mangetaheta fahamarinana, ry mpitondra fivavahana o ! Aiza no tena misy ny marina mankany amin'izany lanitra izany e ? Eo am-pelatananareo mpitondra fivavahana ny valin'izay, ka dia manantena valiny mahafa-po avy aminareo Tompoko.
Izay mahery izany mankany an-danitra amin'izy ity, fa izay osa ho any amin'ny helo ??? »
RLV Itaosy




Ifandroritana
Raikitra ny fanehoan-kevitra eo amin'ny sehatry ny fampianarana. Naneho ny heviny avokoa ny mpanao politika sy ny hery rehetra eto amin'ny firenena. Tsy ho gaga isika raha samy miteny avokoa ny rehetra, satria miankina amin'io ny hoavin'ny taranaka aty afara.
Ahiahy tsy hiavanana. Hiova ho amin'ny teny Malagasy ny ho enti-mampianatra. Misy ny tsy mankato izany, satria mety ho bado angaha ny zanany, raha vao miteny gasy ka hilaozan'ny zanaky ny mpanana eo amin'ny fahaizana fiteny vahiny ? Misy ihany koa ny tena faly, satria ny tenin-drazany no entina manabe ireto menaky ainy. Ifandroritana hatreto ity politika vaovao ho entin'ny fanjakana hampiharina manomboka izao ity. Maro no mangataka ny hisian'ny ady hevitra izay handraisan'ny maro anjara. Inona tokoa no sakana tsy hanaovana izany ? Maro no avanam-pianarana eto amintsika, izay ilaina ny hakana ny hevitry izy ireny. Tsy tokony atao ho tompon-trano mihono ny vahoaka tsy vaky volo, satria ao amin'ny fanabeazana ny lakilen'ny fampandrosoana rehetra. Miandry ny maro raha toa ka hiditra amain'izany ny fanjakana. Aoka tsy ho atao resaky ny moana sy mareniny izy ity, ka hifampiahiahy lava eto isika mianankavy.




Caisse d'Epargne
Tompony makataka ny atiny ny mpanjifa
Kivy ny mpametraka vola ao amin'ny caisse d'epargne omaly raha nahita ny fitokonana nataon'ny mpiasa. Fitokonana izao tao anatin'ny fotoana fohy ny nilazana izany. Tsy hidiran'ny mpametra-bola ao izay olana anatin'izy mianankavy, fa maro ireo saika haka vola no tsy afaka nanao izany.
Vehivahy saika haka ny vola noho ny aretin-janany izay ilaina vola hividianana fanafody no nitaraina, sy latsa-dranomaso omaly, fa tsy hametraka ny volany any amin'itony sehatra itony intsony izy. Natao hanirina no vao maika nampivandravandra hoy izy, niverina nody tamin'alahelo. Maro tamin'ireo mpiasa sendra ny mpanao gazety no maniry ny mbola hitohizan'izao fitokonana izao. Hatraiza ny fanomezana lanja ny mpanjifa raha izao no mitohy ? Tompony mangataka ny atiny ny vahoaka, ary raha mitohy izao, dia ho faty tsikelikely ity caisse d'epargne ity.




Mihena an-toerana
Mpanao politika roa no indray namoy ny ainy tao anatin'ny iray andro monja. Gaston Ramaroson, sy Herizo Razafimahaleo. Samy narendriky ny fahafatesana ny alakamisy teo. Tsy zoviana amin'ny rehetra intsony izy roa lahy ireto teo amin'ny sehatry ny fanoherana teto Madagasikara.
Hihena avy hatrany ny fanehoan-kevitra eto amin'ny tanàna. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny tsy fahafahan'ny maro miteny. Izay mbola nisisika nanao izany, dia nalefa nialokaloka teny am-ponja. Izay mba sahy naneho ny heviny, dia ireo namoy ny ainy ireo indray. Ny nanaitra ny maro, dia ny fandrenesana ny ampahan-teniny tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana. Maty vao nomena "antenne", hoy ny mpitazana nandre izany. Samy manana ny fomba fiasa ny rehetra, izay tsy hidirana lalina, fa mihena ny olona avy aty amin'ny fanoherana. Roa io no lasa, ary hihena tahaka izany koa ny fanehoan-kevitra. Tsara ny milaza, fa na dia miezaka mandray ny andraikiny eo amin'ny raharaham-pirenena aza ireo tanora mpandimby aty aoriana, dia mbola hafa amin'ny maro ihany ny mandre ireo antsoina hoe "goaika antitra". Tsy ny politika no ratsy, fa ny foton-kevitra hijoroana. Tsy ho gaga isika raha maro ny minia hisafidy ny làlan'ny fahanginana eo amin'ny raharaham-pirenena, satria mihevitra izy ireny fa misy fotoana hitenenana, ary misy ny hanginana. Dia ho sanatria ve ka ny eo anivon'ny fitondrana sisa feo re etsy sy eroa ?




Herizo Razafimahaleo
Very andrarezina ny mpanohitra
Nodimandry i Herizo Razafimaleo. Ny alakamisy alina teo no nandaozany ny fianakaviany sy ny tany, rehefa nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro teny amin'ny Hopitaly tetsy Ilafy. Aretin'ny voa no nahazo azy. Lehilahy tsy zoviana amin'ny maro raha teo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny raharaha politika maro isan-karazany. Nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena hatrany izy nandritra ny fifidianana izay natao teto.
Nanana ny fomba fijeriny ny tenany, ary tsy mba nivadibadika teo amin'ny hevitra navoakany. Very andrarezina ny mpanohitra, ary very olo-manga kosa ny firenena. Isan'ny nitaky voalohany ny hampiharana ny "etika politika". Efa nitana andraikitra goavana tao anatin'ny Governemanta ny tenany fony andron'ny Profesora Zafy Albert ny lehilahy, ary nahakivy ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny filazany, fa tokony ahemotra amin'ny manaraka ilay fivoriana an-tampon'ny vondrona Afrikana hatao amin'ny herintaona eto Madagasikara. Efa ben'ny tanàna tao Ambositra ihany koa. Azo adika fa olona nireharehan'ny mpanohitra ny tenany, ary maro ireo antoko no nialokaloka tao ambadika. Mpanorina rahateo ny antoko Leader Fanilo izy.
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany manontolo isika rehetra, indrindra fa ho an'ny vady aman-janany.




Ny Conseil d'orientation,
Ny Sekretera Jeneraly Manassé Esoavelomandroso sy ny Birao Nasionaly Mpandrindra (BNC),
ary ny Mpikambana LEADER FANILO rehetra manerana ny Nosy sy ny any ivelany,
dia mampilaza amin'ny alahelo lehibe ny fodiamandrin'i :




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Zoma 25 Jolay 2008, rehefa nivahiny 75 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny vadiny :
RASOANALIVELO Julienne
Ny zanany :
RAKOTONJANAHARY Noelson sy Justine ary ny zanaka aman-jafiny.
RAKOTO Philémon sy Julie ary ny zanany
RAKOTOZAFY Vololonirina Liliane sy ny zanany
Ny vady aman-janak'ltompokolahy RAKOTONJANAHARY Christian
RAKOTONJANAHARY Rolland sy Angeline ary ny zanany.
Ny fianakaviana manontolo.
Ny nofony dia hiala ao amin'ny lot 151 F III Manjaka, Ankadikely llafy ny Alahady 27 Jolay 2008 amin'ny 9 ora maraina , haterina eny amin'ny fasan-drazany any Ambatobe Antanimasaka, distrikan'Ambatolampy rehefa avy hanaovana fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra eny an-toerana ihany.
« Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao ».
(Joba 42,2)




Maty vao ramalala
Nifampitsetsetra avokoa ny mpanao politika rehetra. Io no hita tamin'ny nahafatesan'ingahy Herizo Razafimahaleo. Ny mpanao politika nitovy hevitra taminy tao amin'ny mpanohira, dia tsy olana ny fomba falazany momba ny asa nataony. Ny nanaitra, dia ireo tsy nitovy fomba fijery taminy aza dia nanambara fa olona tokony nomena sehatra goavana teo amin'ny raharaham-pirenena izy. Manana ny fahaiza-manaony ity lehilahy ity hoy ireo. Tokony noraisina ihany koa ny hevitra natolony, fa tsy natao anjorom-bala. Gaga ny rehetra nandre izany, fa hay naharesy lahatra ireto olona eo amin'ny fitondrana ireto ny hevitra naposany e ? Nahoana anefa no tsy noraisina, na ihany koa, mba nomena sehatra tamin'ny haino aman-jerim-panjakana izy ireo ? Maty vao ramalala hatrany no zava-misy eto. Tsy izay tsy mitovy hevitra anie, ka hambara ho olona ratsy avokoa e. Izay no ilaina hifanajana na ho an'ny hery rehetra, fa tsy sanatria efa lasa vao dokafana.
Mandroso ny taona eoamin'ny mpanao politika zoky olona. Mandroso tahaka izany koa ny fiainam-pirenena. Raha mbola misy ny fotoana tokony hifampiresahana, inna no sakana tsy hanaovana izany. Olona manana ny lazany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena avokoa izy ireo. Midika izany, fa tsy hilaozan'ny hevitra iray ahafahana manatsara ny tontolon'ny firenena izy ireo. Tsy izay miteny, dia hitady toerana, ary tsy azo hosokajiana ho mpanongam-panjakana avokoa ny mpanohitra rehetra. mBola misy ny fotoana, koa tsy aleo ve mifankatia ry mpiray tanindrazana, toy izay hifandrafy lava izao ?




Lalao Olimpika
Nampitao i Mada Prestige
Nanolotra fitafy sy kiraro ary kitapo ho an'ny solontena malagasy rehetra hiatrika ny Lalao Olimpika hatao any Beijing amin'ny faha-8 aogositra izao ny orinasa Mada Prestige.
Ry zareo ireto, hatramin'izao, no malala-tànana voalohany fantatra fa tonga nitondra fanampiana amin'ny dian'ny delegasiona malagasy hamonjy io fihaonana ara-panatanjahantena faratampony maneran-tany io nefa mbola nampanantena loka famporisihana ho an'izay mahazo vokatra tsara ihany koa. Napahafantaran'ireto mpandraharaha ireto dieny aty am-piandohana mantsy fa homeny loka Ariary 6 tapitrisa izay atleta malagasy mibata medaly volamena avy any Beijing, Ariary 4 tapitrisa ny medaly volafotsy ary Ariary 2 tapitrisa ho an'ny mahazo medaly alimo.
Mpankafy fanatanjahantena
Notsorin-dRtoa Andry Rakotoarison, isan'ny mpitantana-mpanorina ny orinasa Mada Prestige aloha fa tsy misy ifandraisany velively amin'ny fandraharahana sahaniny ny ara-panatanjahantena saingy nanintona an-dry zareo nohon'ny fitiavany azy. Ilaina ho tohanana hatrany koa, hoy izy, ny fanatanjahantena malagasy hisian'ny fivoarany satria olana eo amin'ny hoenti-manana foana no vato misakana io zay rehetra tian-kapêtraka eo amin'io lafiny io hatramin'izay. Orinasa vao niorina teto Madagasikara tamin'ny volana marsa teo ny Mada Prestige ary ny sehatry ny fandraharahana momba ny trano sy ny fampanofana fiarakodia ary ny fizahantany avo lenta no tena iasany.




Maty vao Ramalala !
Sarotra ny miaina. Maty i Herizo Razafimahaleo. Tonga nidodododo sy nanambara ny fahabangana teo imason'ny ankohonana sy fianakaviana ary mpiray antoko taminy avokoa ny ankolafin'olona maro, hatramin'ny fitondrapanjakana sy ireo filohan'antoko mpifaninana. Indrindra moa ireo mpanohitra. Samy nanaiky izany fahabangana izany amin'ny fombany avy. Ny sisa tsy natao satria toa mibaribary loatra ny fiatsarambelatsihy, dia ny nanome azy mariboninahitra ambony na niteny zavatra tsy mendrika satria ny Malagasy tsy miady amam-paty.
Tena nanana ny toerany tokoa raha i Herizo Razafimahaleo. Ho an'ny olon-tsotra dia mpandraharaha sy mpamorina asa i Herizo. Tsy nisy maty ireo orinasa natsangany fa mbola velona sady miroborobo manana ny toerany foana na dia maro dia maro aza ny fahasahiranana sy fingapingana.
Vitsy dia vitsy ny manampahaizana ambony toa ireny, ka sahy nirotsaka tamin'ny fandraharahana. Ny maro amin'ny manampahaizana malagasy dia, na mihazakazaka miasa amin'ireny fandaharan'asa vatsian'ny fikambanana iraisampirenena vola, na mihazakazaka hiasa ho an'ireny fandaharan'asa iraisampirenena ireny. Raha tsorina dia matim-boninahitra hoe « fonctionnaire international », na « haut fonctionnaire de l'Etat » ny maro, satria ao no misy karama be sy vola tsy toko tsy forohana tantanina, mora tatarina ary miteraka fahefana tsy hita noanoa. Malain-kisahirana ; tsy tahaka an'i Herizo Razafimahaleo ny manampahaizana maro.
Maro ireo mpianatra malagasy indray mira taminy teny amin'ny oniversite, na mitovitovy taona taminy no lasa manampahaizana fa tena vitsy no sahy niro-tsaka tamin'ny famoronana asa mivantana. Ny sasany aza moa niriaria teo amin'izany sehatry ny fananganana orinasa sy famoronana asa izany nandritra ny taona maro saingy na orinasa iray lehibe aza tsy sahiny natsangana. Tsy ny fahaizana angamba no tsy ampy fa ny tahotra no be loatra ary ny fahalainana hisahirana no betsaka. Ao amin'ny rafi-panjakana sy ireo rantsan'ny fikambanana iraisampirenena ireny mbola misy voninahitra sy vola mora azo kokoa.




Mety ho fasika i Ivato
Tsy mety miravona, fa disadisa hatrany. Io no tsapa amin'ny fihetsiky ny ben'ny tanàna eny Ivato Aéroport sy Ivato Firaisana. Resaka ady tany hatrany no fototry ny olana.
Ny herinandro teo no voalaza fa nikasa hanangana tamboho sy hanampy ny trano hiasany ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana. Tsy nanaiky izany ny ankilany, ka velona teo ny gidragidra . Niditra an-tsehatra ny sefo Distrika ao Ambohidratrimo. Niravona vonjy maika ny raharaha nanomboka teo. Ny sabotsy teo anefa dia raikitra ny barazy. Tsy barazy toy ny tamin'ny taona 2002, fa hetsika ho fisakanana ny kaominina Ivato Firaisana tsy hanao ilay trano sy tamboho hanasaraka ny andaniny sy ny ankilany. Na dia efa vita aza ny fototra, dia nirava maina ny fikasana io sabotsy io. Gaga ny mpandalo, satria mety hivadika ho fasika ilay Ivato teo raha mitohy ny ady lahy politika isaky ny mihetsika izao. Tsara ny milaza fa samy voafidy tamin'ny antoko TIM avokoa ireto ben'ny tanàna ireto. Hatraiza ny tena fijerena ny tombontsoam-bahoaka amin'izao olana matetika izao ? Dia hiandry ny kapoka avy any ambony indray ve vao ahay hifanaraka izy roa tonta ? Ny vahoaka no hitsara.




Fikarohana
Mahay fa tsy ampy vola ny Malagasy
Miasa tsara, dia miasa mafy. Tsikaritra io raha ny resaka fikarohana eto Madagasikara. Be manam-pahaizana ihany koa ity firenena ity, ary aoka tsy ho gaga isika raha hifandrombahan'ny vahiny ny mividy ny asa fikarohany. Ny resaka fahasalamana, dia vao tsy ela ireo mpikaroka no nanambara fa mahita ny fanafody fanefitry ny SIDA. Nanaitra ny tany ivelany ireny, na dia mbola tsy rototra amin'izany aza isika. Ny sehatry ny angovo, dia efa faritra maro no mampiasa herinaratra amin'ny alàlan'ny rian-drano mandalo ny tanàna. Manome hazavana ny tanàna maro ao anatin'ny kaominina ny toy izany. Maro ireo asa heverina fa vitantsika, saingy mazàna ny fanohanana ara-bola no tsy misy. Zary mijanona ho fikarohana fotsiny ireny, fa tsy misy fitohizany. Rehefa tsy tojo tamin'ny fikarohana nataony ilay manam-pahaizana, dia mivadika zavatra hafa. Miainga eo indray ny fikarohana ataony. Ny fotoana lany, ary raha mbola tsy misy indray ny mamatsy vola amin'io fikarohana io, dia naman'ny mandeha ila ihany izany. Zary ny mivarotra ny asa fikarohana nataony sisa no mba hany fara-heriny, ka zary izy ireny no mahazo vahana amain'ny hasasaran'ny hafa. Maro tamin'ireo mpikaroka teto no nivondrona mba hisambotra vola tany amin'ny banky, na ny mpamatsy vola vahiny, saingy hatraiza ny fikirizana nataon'ireto mpikaroka ireto ? Tsy tokony ahataitra ny rehetra, raha mikaroka làlana ho any ivelany izy ireo, satria any no azony antoka fa ahatafavoaka amin'ny tsaratsara kokoa ny fiainany. Miasa tsara, ary miasa mafy. Hijanona ho teny filamatra fotsiny ve ireny, sa hisy fanampiana matotra ny mpikaroka malagasy ?




Fanabeazana
Tsy avela ho metisy fiteny ny zaza Malagasy
"Handray ny andraikitra tandrify anay izahay TEZA", hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Tojo ny tanjona nirianay izahay ny momba ny hampidirana ny teny Malagasy ho teny ho enti-mampianatra. Midika izany, fa hifanome tanana amain'ny fanjakana, mba hampanjary ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny antoko misy anay.
Hampivoitra ny fanahy maha-olona, ary hamerina ny hasin'ny Malagasy io fiovan'ny politikan'ny fampianarana io. Tsy tokony hipetraka ny ahiahy amin'ny fidirana amin'ny teny Malagasy, satria miadana ny fampiharana azy. Ireo zaza vao miditra mianatra amin'ity taona ity any amin'ny kilasy T1 no manomboka azy. Ny efa ao amin'ny kilasy T2 kosa dia tsy mitovy amin'iretsy vao miditra ny teny enti-mampianatra. Izany hoe mianatra teny Frantsay.
Ny teny hibeazana, hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra, dia ahatsapana ny fandrosoan'ny firenena iray. Nomeny ohatra tamin'io ny tany Mali. Nampiasa ny tenin-dreny izy, ka ny 11% sisa ny ankizy namerin-taona. Raha niverina tamin'ny teny Frantsay anefa io firenena io, dia ny 40% ny mpianatra no namerin-taona. Ilaina ny fanomezana fitaovana ampy ny mpampianatra sy ny sekoly hianaran'ny ankizy. Tsapa fa efa miroso amin'izany ny fanjakana. Matoky ny TEZA fa ho tafavoaka ny zaza Malagasy amin'ity politika vaovao ity, ary aoka tsy avela ho metisy fiteny lava izao ny zaza Malagasy, fa omeo ny tena tenin-drazany izy.




Mosary tsy misy fa kere no betsaka
Mangataka atsy, mitalaho aroa. Io no heverina fa ahatafavoakany firenena, ka hiangaviantsika mafy amin'ireo mpamatsy vola ivelany. Hatramin'ny resaka voly avotra sy ny voly vary, dia tsy vitan'ny herintsika intsony, fa tsy maintsy hilana fanampiana any ivelany. Tsapa io raha nisy ilay fihaonana natao niaraka tamin'ny mpamatsy vola mahazatra ny alatsinainy teo. Teraka teo ny filazan'ny ministra Panja Ramanoelina, fa tsy hisy fiantraikany eo amin'ny resaka mosary ny fiakatry ny vidim-bary ? Dia ho gaga ny rehetra, satria amin'ny olona manam-bola no tsy misy fiantraikany, fa ny vahoaka madinika kosa efa ela no fadiranovana. Ny mosary no tsy misy eto, fa ny kere no betsaka. Ny finiavana mihitsy no sy ampy, ka na dia ny sakafo hampidirina ao ambava aza ve dia hiandrasana ireo mpamatsy vola vahiny ?
Midika ireo fa tany mihemotra isika fa tsy mandroso. Taloha mantsy nahavita tena ara-tsakafo isika fony andron'Andrianampoinimerina. Niray hina ny maro tamin'izany, ka na ny nanao lakan-drano manondraka an'i Betsimitatatra aza vita. Ny mpanjaka nano io anefa tsy mba nanana diplaoma hoy ny hafa, fa dia niadana ny ambanilanitra. Taonan'ny fandrosoana izao. Ny ady amin'ny mosary aza mbola handrasana vahiny. Sa kosa ny finihavana hamokatra no tsy ampy ?




Ho avy ny alakamisy
Mihorohoro ny mponina
Lasa minomino foana ny olona. Alarobia anio, ary ho avy tsy ho ela ny alakamisy. Andro izay nisehoan-doza matetika teto amintsika. Na dia natao aza ny tsy hino, dia lasa ihany ny saina mandinika ireto trangan-javatra niseho tao anatin'ny andro vitsy ireto.
Tsaroan'ny maro ilay loza nahafaty olona teny amin'ny BANI Ivato ka namoizana ain'olona enina. Andro alakamisy io. Nipoaka ihany koa ilay toeram-piasana, mbola teny Ivato ihany, ka nandratrana mpiasa. Samy nanakoako tamin'ny haino aman-jery samy hafa ireo ny andro zoma. Ny alakamisy teo, dia iny niarahana nahita iny ny namoizana ain'olona efetra tamin'ny lalam-pirenena faha 7 ka maty tamin'izany ingahy Gaston Ramaroson sy ireo namany telo. Mbola io andro ihany no nandrenesana ny fahafatesan'i Herizo Razafimahaleo, izay mpanao politika fanta-daza eto amin'ny firenena. Mety ho maro ny hilaza fa saika misy hatrany ny loza eto Madagasikara isan'andro. Mitombona izany, saingy ny nahazo sehatra tamin'ny haino aman-jery no resahina. Aza mba minomino foana hoy ny hafa, saingy be no torakovira. Nisy ny nangataka ny hanaovana fotoam-pivavahana momba ireo andro maro lasa izay, ary voalaza fa natao io ? Tsy vitsy koa no nanambara fa fifandrifian-javatra ihany ireny. Ny tsy azo lavina, dia maro ny feo heno toy ny hoe "inona indray no hitranga rahampitso alakamisy ?" Ny ao ambony no mandahatra izany, fa ny zava-misy azo tsapain-tànana no nambara teo, mba hialana amin'ny ahiahian'ny maro.




6 Taona sahady no nandaozanao anay ry Dada malalanay ; tsy maty ao am-ponay ianao.
Hoy ny vadinao :
RAVELOSON Rajaonah Aimé sy ny zanaka aman-jafinao




Soa fa teo ny « friperie »
Fahorian'ny hafa, hafaliana ho an'ny sasany. Feno olona mitsongoloka eran'ny arabe. Mividy ankajo "friperie" (fripy) ireny. Tsy hanavahana sarangan'olona, fa izay mba manana vatsy ara-bola kely dia efa io hita miondrika etsy eroa.
Mitobaka eto amintsika ankehitriny ny lamba fripy. Hita eny ihany koa na ny kiraro, sy izay afahan'ny olona mihaingo. Mora ny vidiny, ary hita fa mbola tsara. Mahatoraka ny fitafy vaovao. Vitsy izany olona mivoron-kitsay izany, satria miainga amin'ny 200 ariary, dia efa mitafy. Toa sarotra atao ho sahirana isika raha mahita ny sarangan'olona mitafy tsara sy milay hoy ny fomba fiteny. Vitsy sisa ireo mba mividy ravin-damba hanaovana akanjo. Ireo olona mila zaitra mifanaraka amin'ny filany sy hanao raharaha goavana sisa hita mirona amin'io ravin-damba io. Mamotika ny orinasa mpanao lamba eto ireny, satria hikatona sy handroaka mpiasa izy ireo, rehefa tsy mandeha intsony ny tsena. Vahoaka maro ihany koa anefa no avotry itony fripy itony. Soa aza mba nisy azy ireny nanaromana ny fahantrana. Raha atao tokoa ny kajikajy, dia any amin'ny 5000 Ar. vao mety hanao pataloha raha hampanjaitra. Ny vidin'ny ravin-damba amin'io tsy lazainaintsony. 2000 Ar. kosa anefa dia efa mahazo itony pataloha itony eny an-tsena. Firenena azo antsoina ho mahantra no hitobahan'itony entana efa nanaovan'ny olona itony. Ka hitafy sa hialangalana hiandry ny fitafy vaovao ?




Mandroso mihemotra
Mitsabo ny efa noratraina lava
Any ivelany indray ny filoha Ravalomanana. Midinika momba ny ahasoa ny firenena, ka isan'io ilay fiverenana indray amin'ny Asecna. Ity sehatra iray ity izay nambara taona vitsy lasa izay, fa hisintaka ao anatin'io isika rehefa tsy mitovy ny fomba fijery.
Volam-panjakana maro no lany amin'izao dia izao, satria tsy moramora ny asa atao mba hiverenana amin'ny efa naloa.
Faty antoka hatrany no hita amin'ny fanampahan-kevitra maimaika izay natao teto amin'ny firenena hatramin'izay. Isan'io ny nidirantsika tamin'ny "détaxation". Iza tamin'ny Malagasy no nahazo tombony tamin'ireny ? Nisy tokoa ny tombony, saingy ny mpanam-bola no botrefona tamin'izany. Tsy mba nisy ny fiarahana midinika tamin'ny tompon'andraikitra isan-karazany, fa teny am-pikabariana tao Antsirabe no nivoaka tampoka ny baiko. Sanganehana ny maro tamin'izay. Roa taona tato afara tsy nahomby io, ka niverina tamin'ny fanapahana noraisina.
Tsy zoviana amin'ny maro ihany koa ity resaka Asecna ity, ary io mandamina ny resaka atsy Gabon io ny filoha. Soa fa nilamina. Nirahana nahita ihany koa ny fandravana ny federasiona ny baolina kitra farany teo. Naverina tamin'ny laonina indray andro vitsy tato aoriana.
Mahamenatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao. Tsy tokony entina amin'ny tendro-po ny raharaham-pirenena. Isika ihany no mamela ratra hotsabointsika ao afara. Ny manarina azy toy izao no olana. Izay no mbola hangatahan'ny sehatra maro eto amintsika ny hisian'ny fifampidinihana maika. Ny fifanakalozan-kevitra no làlana iray hivoahan'ny finihavan'ny rehetra amin'ny fampandrosoana. Raha io no tanteraka hatramin'izay, mety efa tany amin'ny sehatra tsaratsara kokoa noho izao no misy ity nosy mahantra ity.




Basin-janako !
Ho foana ny fiteny malagasy afaka 42 taona, any amin'ny taona 2050 any ho any. Izany no vokatry ny fikarohana nataon'ny mpikambana iray ao amin'ny Akademia Malagasy, Rahaingoson Henri. Avoakan'ny gazetintsika anio ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mpanao gazety miana- draharaha iray ato amin'ny Madagascar Tribune omaly. "Maty aho basin- janako", no nasetrin'ny mpandala ny fiteny Malagasy izany vaovao izany raha nanontaniana ny heviny momba ity vaovao ity izy. Ny hafa indray nilaza avy hatrany fa vokatry ny "mondialisation" izany. Tsy nisalasala moa izy ireo nilaza fa "loza amin'atambo raha ho foana toy izany ny fiteny Malagasy". Ny sasany indray mitompo teny fantatra fa izany no vokatry ny fanaovana teny vary amin'anana tsy misy farany eo amin'ny samy Malagasy. Enti- katezerena ery ry zareo amin'izany. Mety ho foana ve anefa ny fiteny iray raha toa ka mbola misy mponina mampiasa azy ? Hafahafa ihany mantsy ny mandre izany. Etsy an- daniny ny isan'ny mponina mitombo, etsy ankilany, ho foana ny fiteny hifampiresahany. Tsy misy miresaka izany ry zareo ? Tsy misy serasera ihany koa ?
Aleo hiova
Ny tsy azo lavina dia izao : misy dia misy tokoa ny fivoatry ny teny sy ny fiteny vokatry ny fifampikasohana sy ny fifanakalozana. Amin'ny ankapobeny, tsy mitovy ny fiteny Malagasy ankehitriny sy ny tamin'ny taonarivo faharoa. Tsy hitovy toy izany koa ny fiteny malagasin'ny taona 2008 sy ny taona 2050. Fehiny : aleo hiova. Ny anarana malagasy ohatra dia tsy mitovy intsony amin'ny anarana taloha. Fahiny, rehefa niteraka an'i Koto i Rabe dia tonga Rainikoto. Ankehitriny, Razily ny dadanao omaly, Razily ianao androany, ny zanakao koa mety ho Razily. Fa ny zafikelinao, azo antoka fa ho lasa Ronaldo na Kevin na Naruto, sns, raha lahy. Raha vavy kosa dia ao ny Jennifer, Angelina, Leona, sns. Ka aleo hiova ny fiteny Malagasy fa izay tsy miova, mihemotra. Dieny ankehitriny ary, samia mivonona sy miomana ho amin'izany fiovana fiteny izany. Sambany mantsy mba nisy mpikaroka ara-tsiansa nampahafantatra dimam-polo taona mialoha ny trangan-javatra any aoriana any. Mba ho fanomezana hasina ny fikarohana vitany, sy ho fanomezan- danja ny Akademia Malagasy, araho izay voalazany.




Tsy mankaiza fa mitaiza
Manomboka ny fialan-tsasatra. Samy mandeha amin'izay maha-mety ny fiainany avokoa ny tsirairay. Maro no mandeha any amin'ny faritany, ary tsy vitsy no miakatra eto andrenivohitra. Tsy vitsy ihany koa ireo mandeha any ampita.
Ny tsy afa-miala amin'ny fivelomanana isan'andro kosa dia tsy maintsy mitady ny harapaka anio. Ilain'ny vatan'olombelona anefa ny fialan-tsasatra, ary tokony hanao izany ny rehetra, saingy tsy mankaiza fa mitaiza hoy ny fomba fiteny izay rehefa tsy ampy ny ho enti-manana.
Mbola kanto i Madagasikara hoy isika rehefa sendra mba mivoaka kely ity renivohitra. Ny herana voajanahary tsy lazaina intsony, saingy ny fahaizan-tsika mitrandraka ireny no tsy ampy. Firy ireo trano fandraisam-bahiny eto Madagasikara izay saika vahiny avokoa no mitantanana azy ireny. Ny toy izany ve dia tsy ho vitantsika ? Toa zatra mistiriritra sy misento ampitoerana mazana no ataon'ny Gasy. Ny saina tia karokaroka sy ny finiavana toa vitsy. Maka saina tsara amin'ny fakan-drivotra, ary mahaiza mitrandraka mba tsy ny vahiny foana no hanjaka eto. Vitan'ny hafa ve tsy ho vitan'ny tena.




Sakafo amoron-dalana
Hifandrombahana na maloto aza
Ny hafeno ny kibo no tanjona. Tsy jerena intsony ny fahadiovana fa rehefa mihinana dia izay. Mora rahateo ny vidiny, satria misy roanjato ariary ny iray vilia. Misy didin-kena kisoa manify iray, mifangaro anana na voamaina, dia efa milay.
Sakafo amoron-dalana hita etsy sy eroa io. Amin'ny toerana be mpivarotra no ahitana azy ireny, ary mazana ireo olona sahiran-kirana eo amin'ny lafiny fivelomana no tena miletra azy io. Misy ihany koa anefa ireo mivarotra anaty fiara, izay hita fa madio, raha mitaha amin'iretsy entina amin'ny sobika kely iretsy.
Maro no hita fa tsy te-hivoatra raha eo amin'ny lafiny fahadiovana no asian-dresaka. Io fahadiovana io anefa dia tsy vidiana lafo, fa ny toe-tsain'ny mpivarotra no maha-tafita azy na rendrika amin'ny asa izay ataony. Maro no zara raha mahita tombony, satria maha-tsy te-hihinana ny hanina amidin'izy ireo. Ny pirina kely afangaro amin'ny voatabia lozotra tsy lazaina intsony. Mbola misy mihinana ihany anefa, na dia hita fa tsy ahasalama aza. Ny antony, dia tsy maintsy mihinana ny tena, mba tsy ho reraka. Hatraiza ny tena fitandroantsika ny fahadiovana amin'ny asa atao ? Sa hiandrasana ny fanjakana ihany koa ny hapakatra ny vary ao ambavanao ?




Rafim-pampianarana vaovao
Ifandrombahana ny fidirana amin'ny sekolim-panjakana
Na dia mbola sondriana ao anatin'ny fialan-tsasatra aza ny mpianatra amin'izao fahavitan'ny fanadinana bakalorea izao, dia efa miketriketrika kosa ny atidohan'ny ray aman-dreny amin'ny fanomanana ny fidiran'ny zanany an-tsekoly tsy ho ela. Efa fotoana tsy fanaovana fandaniam-poana intsony izao fa aompana tanteraka any amin'ny fanomanana fianarana ny vola sy harena ary ny eritreritra manontolo. Betsaka kosa ireo ray aman-dreny maniry ny hampiana-janaka amin'ny EPP saingy efa feno avokoa ny toerana.
Fitaovam-pianarana
Saika ny mahakasika ny fianarana no hita eny an-tsena. Miparitaka ny fitaovana avy any ivelany, samy manana ny vidiny, arakaraka ny hatsarany. Ny entana vita sinoa hatrany aloha no betsaka sy mora kokoa. Raha tena atao indray mividy ny fitaovana rehetra ilain'ny mpianatra iray, amin'ny ambaratonga faharoa, ohatra, dia eo amin'ny ar 30000 no lany. Tafiditra ao ny aron'akanjo, ireo fitaovana efa takian'ny teknolojia, indrindra ho an'ny teknika. Tsy tafiditra amin'izany kosa ny saram-pidirana any an-tsekoly. Ny eo anivon'ny EPP moa dia azo lazaina ho maivana satria nandritra ny taona nitondran'ny filoha Ravalomanana dia niantohany ny fitaovan'ny mpianatra sy ny aron'akanjo. Nahavaha olana kosa iny na dia tsy nahazo daholo aza. Ny saram-pianarana moa andoavana ar 11500, ho an'ny sekolim-panjakana io.
Maniry ohatry ny anana ny sekoly
Maro ny sekoly fa sarotra ny misafidy azy. Saika isaky ny elakelan-trano no iorenan'ny sekoly tsy miankina. Samy maneho azy ho raitra avokoa izy ireny, mandresy lahatra amin'ny fampirantiana ny vokatra nahitam-pahombiazana. Tokony hanaporofo ny maha matihanina azy raha ny hakanton'ny "banderole" saingy rehefa karohana ilay sekoly dia tsy hita. Trano madinika sy trano fonenana, mihiboka sy tsy manarapenitra no ambara fa "lycée professionnel" sns...Fehiny, lasa atao fitadiavam-bola ny fanabeazana ka rehefa manana trano sy tokotany malaladalaka dia aorina ny sekoly.
Rafim-panabeazana vaovao
Mizarazara ny hevitra eto. Saika resy lahatra amin'ny fandalinana ny teny malagasy ny ray aman-drenin'ny mpianatra, na avy amin'ny sekoly tsy miankina aza. Misy ireo ray aman-dreny manan-katao, namindra ny zanany ho any amin'ny sekolim-panjakana. Antony voalohany io fandalinana ny teny malagasy io (fa tsy fanagasiana ara-bakiteny akory). Ireo sekoly tsy miankina sasany moa dia handray ity programa malagasy ity na dia manana safidy hafa aza.




Tompoko,
Noho ny fihavanana dia nampandre anareo izahay fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'Andriamanitra hody any aminy tamin'ny Alarobia 30 Jolay 2008, rehefa nivahiny 62 taona teto an-tany.
Hoy
Ny Vadiny :
Rtoa RANAIVO RAJAONA Laure Lala
Ny Reniny :
Rtoa RAKOTOMENA Léa
Ny Zanany :
RAKOONIRINA Tahiana sy Mirado (Marseille)
RAKOTONIRINA Fenosoa sy Fenosoa (Marseille)
RAKOTOMENA Tsihoarana
RAKOTONIRINA Zo
Ny Zafikeliny :
Tiavina, Nomena
Ny iray tampo aminy :
RAMIANDRISOA Rodin sy Claire sy ny zanaka aman-jafiny
RAHARIMANANTSOA Eugène sy Lisse sy ny zanaka aman-jafiny
RAHARINTSOA Raymonde Yvonne sy ny zanany
RAJAOFETRA Jean de Dieu mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAMALANJAONIAINA Anselme sy Lysiane sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTONDRAMILA Edith sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANARIZAFY Bernard sy Irène sy ny zanany
RAHERIMANJAKA Sege sy Eliane sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANARIZAFY Patrick sy Nicole sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANARIZAFY Charistian
ANDRIANARIZAFY Wilson sy Voahirana sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Ipkl RAKOTOAIVONY Fefferson
RANAIVO RAJAONA Olivier sy ny zanaka aman-jafiny
Terak'Itpkl RANDRIANATREHINA Jean Joseph
Terak'itpkl RAKOTOMANGA André
RAVAOARILIVA Lucie sy ny zanaka aman-jafiny
RANAIVO RAJAONA Richard sy ny zanaka aman-jafiny
RAMANANARIVO Claire sy ny zanaka aman-jafiny
RAMANANARIVO Perle sy ny zanaka aman-jafiny
RANAIVO RAJAONA Haja sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Havany :
Terak'Itpkl RATANDRAVELO sy RAVAO
Terak'itpkv RAZANAMALALA Eléonore
Ny Fianakaviana rehera
Ny Mpiara-miasa
Ny Fokontany Mahazo Soamanandrariny
Ny Fokontany Imerintsiatosika
Ny Fiangonana FJKM Soamandrariny
Ny Mpitandrina sy n Fiangonana Ambavahadimitafo
Ny nofony dia ho entina miala ao MAHAZO Soamanandrariny, Lot : G IV - 47 ny Zoma 01 Aogositra 2008 amin'ny 12 ora atoandro ary atao veloma farany ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambavahadimitafo , avy eo dia hapetraka ao amin'ny fasan-drazany ao Imerintsiatosika.
« Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hy Jesosy taminy : Andeha isika hita ho eny ampita »
(Marka 4 : 35)




JIRAMA
Manjifa ny mpanjifa
Be ny ho tapaka jiro sy rano ato ho ato. Tsy ny vola no tsy misy any amin'ny mpanjifa, fa ny ankivy ataon'ny mpiasa ao amin'ny Jirama sasantsasany no tsy laitra. Niainga tamin'ireny grevy nataon'ny mpiasa ireny ka hatramin'izao, dia mbola olana hatrany no mianjady amin'ny vahoaka. Tsy tonga ara-dalàna ny faktiora, ka ny mpampiasa jiro sy rano no miezaka manatona ny foiben'ny Jirama akaiky azy maka io faktiora io. Tsy misy ihany koa ny fijerena ny lanin'ny mpanjifa any an-trano. Terena hifanaraka amin'izay laninao teo aloha ny vola aloha manaraka.
Ny vola anefa rano
Maty antoka izany ilay mpanjifa raha toa ka kely ny fandaniana natao. Ny tena mampalahelo, dia maro ireo asain'ireto mpiasa ireto miverina afaka iray volana raha vao mba maka ny faktiora lany tamin'ny volana ambony. Tonga indray ny iray volana manaraka, dia voalaza fa efa tara ianao, ka afaka iray volana indray miverina. Olona handoa vola fa tsy hitrosa no atao toy izany. Ny vola anefa rano ka mandalo dia lasa. Ho maro amin'ny mpanjifa no hiaina ao anatin'ny haizina sy loto rehefa tsy ho voaloha ny volan'ny Jirama. Tsy fahadisoana avy amin'ny vahoaka anefa izao, fa fanapotehina ny maro ataon'ireto mpiasa ireto. Mila fandraisana fepetra haingana ny toy izao, satria fananam-panjakana ny orinasa fa tsy fananam-pianakaviana. Sa izao no atao hoe fanovàna misy eo amin'ny Jirama ?




Fpma-Paris sy ny FFPM
Mitohy ny fanampiana anatin'ny ezaka
Notanterahina tamin'ny alakamisy 31 jolay 2008 teny Vohipiraisana Ambohijatovo biraon'ny FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta Malagasy) ny fanolorana ny fanampiana ao anatin'ny « ezaka Madagasikara » izay fanaon'ny Fiangonana Protestanta Malagasy any Andafy tafo Paris (FPMA-Paris) isan-taona, mba ho fanohanana ny asa misiona sy ny fitoriana ny Filazantsara,ka ordinateur, imprimante,camera numérique sy ny kojakoja samihafa ilaina ho fampandehanana ny Radio Protestanta eto Madagasikara no natolotra tamin'izany.
Ny filohan'ny tafo Fpma-Paris, Roland Ratiarison no nanolotra izany tamin'ny anaran'ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Fpma-Paris, ary ny Pastora Ralibera, Talen'ny Radio Protestanta no nandray izany tamin'ny anaran'ny FFPM. Nandritry ny fihaonan'ny Tonian'ny FFPM Pastora Edmond Razafimanantsoa sy ny Tompon'andraikirty ny FPMA-Paris dia voaresaka ny tokony hanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa, ka hisy volavola tetik'asa hodinihan'ny roa tonta ahazahoana manatanteraka tanjona iombonana eo amin'ny asa fitoriana ny filazantsara.
Marihina fa tamin'ny roa taona lasa dia ny fanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara teo amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) no niantefan'ny « ezaka Madagasikara » tamin'ny nanomezana boky "Encyclopédies" ho an'ny tranom-boky Loterianina ary ny taon-dasa kosa dia ny Kolejy Teolojika FJKM ao Ivato no voakasik'izany tamin' ny niantohan'ny "Robes Pastorales" ireo andiain'ny Mpitandrina miisa 40 izay nahavita ny fianarany.
Nohon'ny Famindrampo sy ny Fahasoavan'Andriamanitra dia hankalaza ny faha 50 taona niorenany ny FPMA-Paris amin'ny taona 2009 ho avy izao.




Aleo hilamina dia misesy
Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tsy maintsy mitady izay ho arapaka isan'andro, ka ny lafiny politika aloha no najanona.
Maro tamin'ireo mpitarika antoko teto Madagasikara no nivadika any amin'ny sehatry ny fandraharahana. Rehefa tsy nahatafita ny fanaovana politika dia aleo aloha mibizina hamelomana vady aman-janaka. Kandida nandritra ireny fifidianana maro nifanesy ireny no nandao ny sehatry ny politika.
Ny tsy azo lavina dia maro no nahazo tolotr'asa tamin'izao fitondrana izao. Nahazo asa hoy ny mpitazana ka nangina. Eo ihany koa ireo niverina any amin'ny asam-panjakana rehefa nahavita ny andraikiny maha-olom-boafidy azy teo aloha. Ireo tsy mba manana andraikitra etsy sy eroa sisa no mbola heno mikaon-doha etsy sy eroa. Porofo tsy azo lavina, fa rehefa tsy dia misy atao ny sasany, dia miditra manao politika. Efa hatramin'izay io, fa tsy vao izao. Ny antony, dia sao mba mahazo seza ho takalon'ny fanoherana.
"Aleo hilamina dia misesy kosa", hoy ireo tena mijoro amin'ny foto-kevitra hananany. Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tsy maintsy hambara ny marina, saingy aleo ahatsapa ihany koa ny vahoaka hoy ireo efa zatra ny maneho hevitra. Rehefa ny vahoaka no mahatsapa ny fangirifiriany, dia mora hampitaina ny hevitra. Vahoaka tsy taitra ve no dontoinao amin'ny politikanao ny sainy ? Tsia, hoy ireto olona telo fanta-daza nandritra ireny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo ireny. Tsy ho gaga ianareo, hoy izy ireo, raha mirona bebe kokoa any amin'ny fandraharahana aloha izahay. Dia isaky ny inona izany vao hiseho vahoaka haneho hevitra ?




"Tany alavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe : Fitiavana Mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao ".
(Jeremia 31 : 3)
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 31 Jolay 2008, rehefa nivahiny 54 taona teo an-tany. Araka ny hafatra izay napetrany, dia efa nody ho vovoka ny 1 Aogositra ny vatany ary ny Fisaorana sy ny Fiderana an'Andriamanitra dia notontosaina ny Sabotsy 2 Aogositra 2008 tao amin'ny Chapelle Breck School Minneapolis.
Hoy ireo mpiray tampo aminy :
Brigitte sy Gérard RAMBELOSON, ny zanany ary ny zafikeliny
Dorothée sy Roger Arthur RAKOTOMALALA sy ny zanany
Vady navelan'i Itpkly ANDRIANTSIFERANA Alain Dasiré, ny zanany sy ny zafikeliny
Geneth sy Roland Elysée RATSIMBARSON sy ny zanany
Yvonne sy Simon RAJERISON, ny zanany sy ny zafikeliny
Dominique sy Henry RABARY-NJAKA sy ny zanany
Fabienne sy Mana MBARY-NJAKA sy ny zanany
Sylvia sy Stéphane POULALION sy ny zanany
Henintsoa sy Manuel BERNARDI,
Nv fianakaviana :
Avy ao FIERENANA FANDRIANA
Avy ao MIARINAVARATRA FANDRIANA
Ny fianakaviana RABARY-NJAKA, Vady navelan'i Itkpl Henri RABARY-NJAKA,
Ny zanaky ny rahavaviny :
Frederika Njaka RAKOTONIAINA-RAJOELINA sy ny vadiny
Ny terak'i RABARY sy RAVAOMANARIVO, Anosiravo,
Ny terak'i RAMANITRIMANJAKA sy RATAVY Alasora,
Ny mpiara-miasa aminy rehetra ao amin'ny Breck School, 123 Ottawa Av N, à Minneapolis,
Ny namany any Minneapolis, any France ary eto Madagasikara.
Ny Fokontany Soarano Ambondrona
"Nous savons parfois les choses avant qu'elles ne se produisent, même si nous ne savons pas que nous savons"
(Paul Auster- La nuit de l'Oracle- ed actes sud 2004)




Miserasera bebe kokoa
Mba mampiasa teknolojia avo lenta sy raitra ihany ny serasera-panjakana toa ny ao amin'ny fampielezampeo sy ny haino aman-jery. Ny manahirana ny mieritreritra azy dia tsy mifandray amin'ny mailaka (email) amin'ny mpiara-miasa aminy izy ireo. Na ny fandaharan'ny televisiona na ny tatitry ny filankevitry ny gouvernemanta dia, na tsy tonga mihitsy, na tara, izany hoe efa nilaozan'ny toetrandro vao tonga any amin'ireo mpiara-miasa aminy. Ny fifandraisana amin'ny seraseran'ny fiadidiana ny Filohan'ny Repoblika kosa dia tsy azo kianina. Tanteraka tokoa izay nambara tamin'ny 2003 fa hisy Sekreteran'ny Fifandraisana na Serasera amin'ny Filohampirenena. Saingy ilay fihaonana amin'ny mpanao gazety isam-bolana no tsy hita popoka. Raha misy aza dia toa teny tsy valiana fa tsy serasera, fifanakalozan-kevitra. Ny zava-misy aloha dia efa mahazo vaovao saiky isan'andro avy amin'ny Fiadidina ny Filohan'ny Repoblika ny mpampahalala vaovao. Ny tsy ampy dia ny fanazavana manodidina ireny vaovao ireny.
Ny fanontaniana tsy nahitana valiny hatramin'izao dia ny antsipiriany mifandraika amin'ireny filankevitry ny minisitra ireny. Didy aman-dalàna sy didy hitsy volana no voatanisa ao amin'izy ireny.
Raha ny lalàm-panorenana aza vitsy no mahafehy azy sy mahalala azy, firy ny olona mahay ireny didy aman-dalàna avoaka sy ovaina na ahitsy isaky ny herinanandro na isaky tapa-bolana ? Ny mpiasan'ny ministera voakasik'ireny lalàna ireny aza moa dia tsy mahalala akory ny fiovana na fanovana ireny. Ny didy hitsivolana moa dia efa amam-bolana matetika vao mivoaka ary miaraka amin'izany koa ny fahafantaran'ireo mpiasa any amin'ny birao mifanerasera amin'ny olon-tsotra ireny.
Raha tsorina dia mila mifanerasera betsaka kokoa fa toa tompontrano mihono ny mpiara-miasa sy ny vahoaka.
Tsy ampy intsony ny teny midina fotsiny. Te-hijery lanitra mangamanga izahay ary te-hiasa ho an'izany, saingy izay jerena sy hatonina toa moana sy rainizavona. Ny sasany aza moa toa masiaka nefa ny anjara asa dia ny fanompoana vahoaka sy fampahafantarana azy ny vaovao izay tokony ho fantany mba hampazoto azy hiasa tsaratsara kokoa.
Izao indray moa izany dia miverina manao pôlitika hatrany amin'ny ministera sy ny rafi-panjakana toa ny Distrika. Inona no tena marina ? Ny filoha mpanorina aloha dia tsy mbola niteny na tsy maintsy atao io fiverenana amin'ny fifangaroan'ny raharahan'antoko tokana sy ny raharaha-panjakana na fanjakan'antoko tokana io na tsia, na dia nanome hafatra tamin'ny Kongresin'ny TIM aza izy.




Lalam-pirenena faha-roa
Kamiao sy fiara kely nifanosika tao anaty tetezana
Tsy nisy alaharo fa dia aleo hifanatrika na dia tetezana aza. Izany angamba no tao an-tsain'ity mpamily kamiao avy any Moramanga raha niditra ny fiolanana iray izay mialoha ny tetezana. Na dia efa tao anatin'izany tetezana izany aza ny fiara kely iray dia tsy nijanona na tsy afaka nijanona ity fiara be mpitatitra entana. Vokany, nitranga ny loza. Potika tanteraka ny lohan'ilay fiarakely izay tafasitrika tao ambanin'ilay kamiao.
« Maro tokoa ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'iny lalam-pirenena faharoa iny raha ny hitanay omaly zoma faha 01 aogositra !Saika kamiao mpitatitra entana avokoa izy ireo ary anisan'ny niharan'ny tsy fitandreman'ireo kamiao ireo ny tenako ». Izany no fitarainan'ny mpampiasa iny lalam-pirenena faha-2 iny. Azony sary daholo ny fandehan-javatra.
Nihemotra 7 metatra
Tamin'ny mitatao vovonana tokony ho tamin'ny iray ora latsaka kely no,niditra ny tetezan'ny Mangoro ny fiara kely Nissan Primera raha avy aty an-drenivohitra. Nony ho tafita ny tetezana anefa izy, dia indro kamiao Renault Turbo feno hazo « madrier » no niramarama avy any ampita (avy any Moramanga), izay sady fiolahana, raha handeha hiditra ny tetezana.
Tokony hijanona ity kamiao nefa tsy nanao izany fa niditra ny tetezana ihany. Hany herin'ilay nitondra ny fiara kely dia nijanona sy niandry izay higadonany sisa. Tsy maintsy niseho ny fifandonana izay mafy dia mafy tokoa tao anaty tetezana, ary dia natosik'ilay kamiao niverina 7 metatra mahery ilay fiara kely vao tafajanona ilay kamiao
Tsy nisy aina nafoy fa ramatoa iray ihany no naratra sy tohina mafy tamin'ny loza. Nioritra noho ny fifandonana ny lamosin'ilay mpamily ilay fiara kely ary mpandeha iray no naratra kely (ratra madinika) teo amin'ny lohalika. Samy afaka nody tany amin'ny fianakaviana rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza tao amin'ny hoptaly Moramanga izy rehetra.
Famonoana ankitsirano
Marihina fa olona dimy no tao anaty fiara saingy ny zaza 8 taona sy ny rainy dia tsy naninona
Fehiny : Loza niseho noho ny tsy fitandremana teo amin'ny mpamily ilay kamiao ary miendrika famonoana ankitsirano. Efa eo am-pelantanan'ny mpitandro filaminana ao Moramanga ny fanadihadiana.
Nangonin'I Raw




Nahazo ny anjarany
Azo ny tso-drano. Ho atao laharam-pahamehana amin'izay ny fanatanjahan-tena Malagasy. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo. Nandritra ny lanonana natao teny Iavoloha ho fitsofan-drano ireo tanora hiatrika ny lalao Olimpika any China.
Nifanohitra tamin'ny teny tany aloha ny teniny tamin'ity indray mitoraka ity, izay nilazany fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina raha nanova Governemanta izy . Tsara izany, satria afaka manantena ny maro fa hiakatra avo amin'izay ny rehetra eo amin'ity sehatra iray ity. Ny finiavana betsaka fa ny vokatra ihany no hifampitsarana. Ny fanatanjahantena no isan'ny fanoitra mampiakatra avo ny voninahi-pirenena. Noraisiny ohatra tamin'izany i Drogba, mpilalao Ivorianina. Mametraka ahiahy ihany anefa ny maro, satria isan'ny ministera kely vola ity ministera iray ity. Mety hisy noho izany ve ny fanitsiana ny vola entina mampihodina ny sehatry ny fanatanjahantena eto Madagasikara ? Raha atao raharaham-panjakana toy ny niseho nandritra ny lalaon'ny nosy farany teo ity fanatanjahantena ity, dia azo antoka fa ho tafakatra amin'ny sehatra ambony, na dia tsy misy mpanazatra vahiny antsoina aza eto.




Hita ny sambo Tropicana II
Feno fofo-paty ny manodidina
Lakana mpanjono sendra nandalo no nahita ny sambo Tropicana II. Rendrika tao amin'ny ranomasin'i Maroantsetra, ka telo kilaometatra miala an'ny nosy Manga no nahitana azy omaly maraina. Hatramin'ny telo ora hariva, dia mbola tsy nisy ny fisintomana ity sambo ity satria tsy ampy ny fitaovana. Ny vahoaka teo amin'ny manodidina no nandray andraikitra voalohany, ary efa nanaovana antso avo ny tompon'andraikitry ny filaminana rehetra, saingy mbola taraiky hatramin'ny ora hanoratanay. Feno fofo-paty ny manodidina ity sambo rendrika ity, izay tsy fantatra na mbola misy razana tavela ao na tsia. Misy tera-tany vahiny maro no niara-rendrika taminy, izay tsara ny milaza fa nisy fanambazana vola be nataon'ny fianankavian'ny maty ho an'izay olona mahita ity sambo ity.




Teny zato, kabary arivo
Aza miandry dokafana
"Variana manao vaovao samy hafa, fa tsy ny asa vitan'ny fitondrana no tanisaina". Mahalasa saina ny maro ny hevitry ity olom-boafidy iray ity, nanakiana ny asa fanaovan-gazety. Toa hinian'ny sasany hamaivanina mihitsy ity asa iray ity, rehefa tsy mifanaraka amin'ny fomba fijeriny. Ny asa ataon'ny fanjakana, dia saika efa mahazo sehatra isan'andro amin'ireo haino aman-jerim-panjakana sy ireo izay tsy maintsy mivoy izany isan'andro. Moa tsy efa mahazo vahana, ary mila hakalilo sofina sy maso indray aza ny fahitana izany asa izany ? Inona indray no mbola tadiavina ankoatra izany ? Hain'ny vahoaka tsara ny manavaka ny vary amin'ny tsiparifary, fa aza miandry ho dokafana. Sa tsy tokony hanana anjara asa hafa ny mpanao gazety ankoatry ny fivoizana ny vaovaom-panjakana ? Aoka mba samy ahatoky tena, fa tsy ny asan'olona no tsabahana lava izao.




Behoririka
Ampiadian'ny sinoa ny mpivarotra amoron-dàlana
Nanatanteraka ny grevy efa narangarangany ny mpivarotra miankin-drindrina etsy Behoririka, omaly vao maraina. Nitandahatra ny "banderole" sy ireo mpivarotra ka naneho ny heviny ampahibemaso teo. "Very asa sy tsy mihinan-kanina izahay", hoy ireo sora-baventy. Araka ny nambaran'ireo mpivarotra mpigrevy ary fa "efa iray volana izay ry zareo no tsy navela nivarotra amin'iny sisin-dalana Behoririka iny." Mpivarotra miisa 1500 eo ho eo ry zareo no nifanandrina tamin'ireo lehilahy am-polony mpiasan'ny fokontany Behoririka. Tsy nisy aloha ny fifampikasihan-tanana omaly fa samy nifampitazana teo ny mpanao grevy sy ny mpitandro filaminan'ny fokontany. Rehefa nandeha moa ny resaka dia toa misy ambadika avy any amin'ireo mpamoaka entana ihany ity raharaha ity. Mitobaka be loatra ny entan'ny mpivarotra sinoa ka tsy lafo raha tsy aparitaka amin'ireo mpivarotra amoron-dalana. "Misy ny fifampitokisana amin'ny sinoa", hoy ireo mpivarotra ka omeny entana aloha ny mpivarotra, rehefa lafo vao aloa ny vola. Heverin'ireo mpivarotra voaroaka anefa fa paika avy any amin'ireo mpivarotra Tailandey ny fandroahana azy ireo hiala. Samy ao amin'ny sinoa ireo no maka entana, saingy ny an'ny amoron-dalana mora kokoa. Raha kiraro amidy ar 5000 eny amoron-dalana, ohatra, dia ar 20000 any ho any ao amin'ilay magazay Tailandey. Raha ny marina dia voararan'ny lalàna ny fivarotana amoron-dalana. Fantatry ny sinoa mpamoaka entana izany, ary fantany fa tsy mandoa hetra akory ny mpivarotra amoron-dalana, kanefa dia any amin'ny mpivarotra madinika no mifatratra ny rihitra. Enjehina ny madinika, kanefa avela hanaparitaka entana ihany ireo mpamongady. Didy jadona anie izany eh !




Teny zato kabary arivo
Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva
Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva Aoka tsy hijery ny hitan'ny maso, fa hidiro lalina ahitana ny tena olana. Fanirian'ny mponina eto andrenivohitra ny andehanan'ireo tompon'andraikitra eto amin'ity tanana ity any amin'ireo tanana maro eto andrenivohitra. Toy ny natao tamin'ireny fampielezan-kevitra ireny, izay saika voatety tao anatin'ny tapa-bolana monja ny fokontany 196.
Izay mahavangivangy tian-kavana. Olana toa tsy mba misy mpijery ny mahazo ny faritra maro eto andrenivohitra. Tanana tena hitoeran'ny fahantrana. Ny haizina amin'ny alina tsy lazaina intsony, satria tapaka ihany koa ny jiro amin'ireny elakelan-trano ireny. Ny tsy fahatsapan-tena eo amin'ny tsirairay tsy lazaina intsony.
Inona no anjara asan'ny sefo fokontany mba hanentanana ny vahoaka ahay hitandrina ny fahadiovana sy ny asa vita ? Hita taratra ihany koa ny fanorenana trano tsy ara-dalana maro eto amin'ny tanana. Hatraiza ny fepetra tokony ampetraka mba hanan'ity renivohitra ity ny maha-izy azy ? Raha ny hita dia ny ivelan'ny tanana fotsiny no kanto sy meva fa ny atiny mahasorena. Feno ny fahefana natolotry ny vahoaka mpitantanana ankehitriny, koa tsy aleo ve mba asiana fitsidihana indray ny tanana rehetra ahitana mivantana ny tena fahorian'ny tanana.




Sinôda Fjkm
Hifidy birao vaovao
Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny sinoda lehiben'ny FJKM. Any Mahajanga no hanaovana izany, ka hifarana ny 20 Aogositra. Mpandray anjara mahatratra 400 avy amin'ny sinoda 36 manerana an'i Madagasikara no ho tonga any. Ity fivoriana lehibe ity no hifidianana izay ho mpiandraikitra foibe, sy izay ho filohan'ny FJKM vaovao. Ireo mpizaika no hifidy iretsy mpiandraikitra foibe, ary ireo indray no hifidy izay ho filohan'ny FJKM avy eo. Anarana maro no re fa hilatsaka handray ny toeran'ny pasitera Lala Rasendrahasina. Mihevitra izy ireo fa toerana hifandimbiasana no atao eo anivon'ity antokom-pivavahana iray ity, dia ny FJKM izany. Tombana ho an'ny mpizaika ihany izany, fa ny fanampahana avy amin'ireo mpandrindra foibe vao ho lany amin'io ihany no tompon'ny vato farany.




Tafika Malagasy
Hetsiky ny manamboninahitra lefitra
Hazakaza niainga avy eo amin'ny kianjan'i Betongolo, nihazo ny toby miaramila RM1 Analakely, ny asabotsy teo, no nentin'ireo manamboninahitra lefitry ny tafika malagasy, eto amin'ny faritany miaramila voalohany, nanomboka ny hetsika ara-panantanjahantena, izay hanamafisana ny firaisan-kina sy firahalahina eo amin'ny samy manamboninahitra lefitra. Izao hetsika izao dia nomena ny lohahevitra hoe : « Mampita fanilo », ny antony dia handao tsy ho ela ny fitantanana ny COSOFAM (Corps des Sous-Officiers de l'Armée Malagasy) ny Birao mpitantana ankehitriny noho ny toerana hifandimbiasana, ka miezaka mampita ny traikefany sy n fahaizany amin'ireo zandry handimby.
Taranja roa no hifaninanana mandritra ity hetsika ity, dia ny basket ball sy ny pétanque. Ekipa valo no handray anjara amin'ny taranja basket, izay ahitana ekipa sivily vitsivitsy toy ny ekipan'ny BOA, ny ekipan'ny Minisiteran'ny fitantanam-bola, ny ekipan-dRamala, ny ekipan'ny manamboninahitra lefitra isaky ny faritra misy azy avy. Ny famaranana moa dia atao ao amin'ny Gymnase Mahamasina ny 18 octobra 2008, ary ny fanolorana ny amboara hoan'izay mendrika izany dia ny 25 oktobra 2008, ao amin'ny alin'ny manamboninahitra lefitra izay, atao ao amin'ny Cemes Soanierana. Nanokatra ny lalao teo amin'ny taranja basket ny asabotsy teo ny ekipa voafantin'ny manamboninahitra lefitra ato amin'ny faritany miaramila voalohany sy ny ekipan'ny BOA, lalao izay natao tao amin'ny toby miaramila RM1 Analakely. Nandresy tamin'ny isa 42 no 37 moa ny ekipa voafantin'ny manamboninahitra lefitra tao aorian'ny fanalavam-potoana. Marihina fa isaky ny asabotsy no anaovana ny lalao fifanitsanana ka ao amin'ny toby RM1 Analakely no hanaovana izany.
Tonga nanotrina sy na nome voninahitra izao hetsika izao ny Jeneraly Rakotondrabevala Marcel, sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fiarovam-pirenena, ny Kolonely Rabehasimanitra Jean Louis, Komandin'ny faritany miaramila voalohany.
Nangonin'i Manjakahery Tsiresena




Ankizy hianatra any ivelany
Inona no fomba nitsongana azy ireo ?
Ny eo tonga ny hafa lasa. Fanomezana lanja lehibe ny tanora Malagasy ny fandefasana ireo ankizy miisa 26 andeha hianatra any Etazonia indray. Omaly no noraisin'ny filoha Ravalomanana notsifiny rano ireto mpianatra ireto. Sampam-pianarana maro no ho ataon'izy ireo any. Aharitra efa-taona ny amitany izany fianarany izany.
Efa nisy ny nalefan'ny fanjakana Mlagasy nianatra tany teo aloha, ary ireny niarahana nahita ireny ny fandraisana makotroka natao teto antanindrazana. Maro amin'ny mpianatra Malagasy no te-handrato fianarana any ivelany, ary tsy vitsy no nametraka fanontaniana ny fomba nitsongaina ireto mpianatra ireto. Mino isika fa ho fantatra tsy ho ela izany, satria hafa ihany izany mandrato fianarana any ivelany izany hoy ny mpianatra sasany.




Teny zato kabary arivo
Tsara fiaingàna...
Varimbariana ve ny mpanohitra sa mbola itambesaran'ny alahelo noho ny fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika ? Tsy henoheno, mangingina...sa miketrika ? Fotoana fiomanana tokoa izao raha mbola hilomano maharitra ao anatin'ity tontolo politika ity. Tsy misy tanjona afa-tsy ny fifidianana amin'ny taona 2012. Efa niainga hatry ny ela ny antoko matanjaka eo ambany fiahian'ny manampahefana eto amin'ny firenena. Mandeha tsy misy mpanohintohina ny fanomanana. Voapetraka ny ankamaroan'ny mpikatroka TIM manerana ny nosy, amin'ny alàlan'ireo distrika. Mijoro isaky ny distrika ny DisTIM, Jeunes TIM, ny vehivavy TIM. Azo an-tsaina ihany no mety ho fahombiazana raha izao fiomanana izao. Toa gaga ny maro mahita ny fivezivezen'ireo mpitondra fanjakana. Mitokana zava-bita atsy, manolotra fanampiana eroa, kanefa tsy fifidianana homanina, na fanakianana miseho.
Aiza kosa ny mpanohitra e ? Ny antoko TIM sy i Pastora Mailhol izao no efa tsara fiaingana, saingy misoko miadana ka tsy hitan'ny mpanohitra. Raha izao no mitohy dia hisaringotra amin'ireo kandida matanjaka roa ireo ny ankamaroan'ireo mpanohitra. Maro rahateo no mahay mamadika palitao amin'ny ora farany.




Taxi-be 110
Tsy mandray ny vola voasonian'ny governora taloha
Ny resaverana taxi-be indray izao no mampisahotaka ny mpandeha taxi-be, manoloana ny fiovan'ny sonia ataon'ny governoran'ny Banky foibe amin'ny vola taratasy. Raha oharina amin'ny sonia teo aloha, dia nisy fiovana ihany koa eo amin'ny soratra sy sary amin'ny vola taratasy Ar. 100 hatramin'ny Ar.10000. Misy amin'ireo taxi-be anefa no tsy mety mandray ilay vola nisy sonia teo aloha. Tsy avelan'ny patiraony mandray an'ireny hono izy, ka dia nolaviny ankitsirano izao. Sendra ity taxi-be 110 mampitohy an'Analakely sy Anosizato ny namana Dany Rabemananjara, mpanao gazety ao amin'ny RNM, omaly maraina. Hiala eo Anosy manoloana ny RNM izy. Vola Ar.1000, ilay misy sonian'ny governora teo aloha no natolony ka nolavin'ilay resevera, narahana avonavona. Nanazava tsotra ity mpiasan'ny haino aman-jery fa mandeha ara-dalàna avokoa ireo vola taratasy mbola tsy namoahan'ny Banky foibe filazana.
Nanome famerim-bola tsy fidiny ranamana rehefa nisy nampahafantatra azy fa mpiasan'ny haino aman-jery ity vingavingainy. Vola nifampitohitohy amin'ny "scotch" indray no naverin-dranamana, misy aza tsy mitovy ny laharana amin'ny vola.
Dia ampahafantarina ny rehetra fa na ny vola madinika rehetra aza, manomboka amin'ny iraimbilanja, ariary, ariary roa, ariary efatra, ariary dimy, ariary folo, ariary roapolo, ariary dimampolo, dia mbola miasa ka izay mandà ireny dia iharan'ny sazy. Ny fampiasana ireny vola madinika ireny moa no efa tsy mety intsony noho ny haavon'ny vidin-javatra.




Fitaterana : Fanampian'ny fanjakana
Mizana tsindriana ila
Kianin'ny mpitatitra ny fisian'ny mizana tsindriana ila avy amin'ireo mpanapa-kevitra satria tsy ny rehetra no nomena tombontsoa tamin'ny fanampiana fa ampahany vitsy tamin'ny mpitatitra ihany, izany hoe ny tao an-drenivohitra ! "Tsy mahandry ny fanapahan-kevitra miendrika familafilana izahay noho ny fatiantoka miavosa isan'andro nefa ny namanay miasa amin'ny zotra Antananarivo-Renivohitra sy ny manodidina efa mihanoka amin'ny fanampiana na dia samy vahoaka mandoa hetra izao ihany aza no taterina !" Nihoa-pampana ny sondro-bidin'ny solika teo amin'ny tsena iraisam-pirenena ary tsy afa-niala tamin'izany ny teto amintsika. Vao mainka nampiantraika mafy azy tamin'ny mpanjifa aza ny tsy fisian'ny aroriaka nataon'ny fanjakana mihitsy, hoy ny mpanombana.
Tsy nahavonjy
Taitra ihany anefa ny fanjakana nony tsy toa tokoa io fiakatry ny vidin-tsolika io ka nibaiko ny mpitatitra tsy hanova ny saram-pitaterany. Nandeha teo ny dinika ary samy nametraka ny fitakiany ny roa tonta. Toa tsy araky ny nifanarahana ihany anefa ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fanjakana satria tsy nampidirina firy izay neritreretin'ny mpitatitra...
Nivoaka ihany tokoa ny vola fanampiana natao hanentsenana ny banga amin'ny fatiantoky ny mpandraharaha nefa tsy tody amin'ny ilana azy, araky ny fijerin'ny sendika nasionalin'ny mpitatitra izay tsy maintsy hanondrotra ny saran-dàlana amin'ny zotra nasionaly rehetra amin'io herinandro hiditra io. Tsy ho azo ialana rahateo ny fampisondrotana saran-dàlana, hoy ny sendika nasionalin'ny mpitatitra satria voafetra ihany ny vola fanampiana ka manam-paharitany.




Tsakotsako
Fa maninona no mandeha irery e ?
Tanàna tsy misy mpivarotra, tsy misy rano fisotro na dia loharano aza, tsy misy jiro, tsy misy taxibrosy,.... ny ao Antakavana. Mandeha tongotra ora fito vao mahita ny lalana godorao. 170 km miala an'Antanaanrivo no misy azy, manaraka ny lalampirenena faha-efatra, ao amin'ny tendrony avaratra-atsinanan'ny distrikan'Ankazobe no misy azy. Rehefa afaka 30 km avy aty Antananarivo miala an'Ankazobe, mivily miankavanana, 45 km lalandratsy vao tonga ao amin'ny kaominina Antakavana. Be dahalo, tsy fantatra intsony izay olon-dratsy sy olo-marina ao an-tanàna. Vitsy mponina kanefa be omby satria raha 7000 monja ny isan'ny mponina manerana ny kaominina 720 km2 dia mahatratra 6000 ny isan'ny omby. Na andro antoandro aza misy ny dahalo milanja basy kalachnikov. Ny sabotsy teo no very ny omby 20 an'ny sefompokontanin'Antaniditra, fokontany any amin'ny 35 km miala an'Antakavana. Andeha hanao fitarainana any amin'ny kaominina izy no faly tampoka raha tojo ireo manampahefana notarihin'ny lehiben'ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy, ny kaomandin'ny vondro-tobi-paritry ny zandary ao Ankazobe, ireo tale ao amin'ny faritra. Efa lasa niampita an'i Betsiboka mifanila amin'Anjozorobe ireo omby hoy izy, ary efa manaraka dian'omby any ny fokonolona fa izaho andeha hanao fitarainana.
Betsaka ireo mpiasampanjaka tsy tamana ao amin'ny kaominina Antakafana. Sahy mitsotra mivantana ireo mponina fa tsy tiany izany "fampandrosoana izany". Mangataka fifindrana ireo mpiasampanjakana matetika satria mahazo fandrahonana foana, manana olana amin'ny mpiara-monina. Mpitsabo iray niasa tao Ankazobe no nitantara, taminay. Raha nandeha an-tongotra izy hamonjy an'Antakafana hanao ady amin'ny pesta dia nifanena tamina lehilahy matanjaka voatifitra teo amin'ny sandriny. Noesoriny ny bala. Nony telo taona aty aoriana, raha handeha hitety tanàna toy ny asany Radoko, nifanena tampoka tamina lehilahy nitondra basy kalachnikov. "Fa maninona no mandeha irery dokotera a ?" hoy ny fanontaniana ?, Tadidinao ve aho, hoy ilay tovolahy ? Ianao no nanala ny bala teto antsandriko, andao ianao aterina, aza mandeha irery ntsony amin'ny sisa hoy ilay tovolahy ! Ohatra amin'ny zavamisy ao Antakafana izany tantara izany.
Tonga tampoka ny lehiben'ny Faritra ny alarobia teo hanao dinik'asa hampandroso haingana an'Antakavana. Tonga ny bildozera hanao lalana ; tsy maintsy afindra ny trano efapolotafon'Antakafana. Nafindra ao Andranomiady ny tanàna satria nokoan'ny rano ka tandindonin-doza ireo 40 tafo. Eo ampita ankehitriny no misy ny kaominina Andranomiady na Antakafana hatramin'izay. Hisy ny fampidirana rano fisotro, jiro sy ny sisa ka ho kaominina filamatra na kaominina pilaoty ny ao Antakafana vaovao. Toerana betsaka harena an-kibon'ny tany moa Antakafana, toa ny volamena, berila, vatotsoa isan-karzany ka mety ho avy ny mpitrndraka vaventy, sady hampandr fahalemana ny tany sy ny fiarahamonina ary ny fifamezivzen'ny olona sy ny entana.




Teny zato kabary arivo
Nahazo ny anjarany
Ela ny ela, nahazo fiara ihany ny depiote. Volana maro aty aoriana vao mba nahazo ny anjarany ireo olom-boafidy avy amin'ny tsy miankina. Efa tara ihany izany raha mitaha amin'ireo namany ao Tsimbazaza, satria ny hafa efa nahavita nitety faritra maro amin'ny fiara 4x4.
Rehefa nahazo kosa, hoy ny hafa dia izay no zava-dehibe. Ho an'ny mpitazana, dia saika nitoetra teo anivon'io andrim-panjakana iray ny fanaovana zanak' ikala hafa. Soa fa voasoroka mialoha izany. Tsy dia hita taratra eo anivon'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity ihany koa ny tena mpanohitra. Ny manara-drenirano no betsaka. Afaka hanao inona eo ihany koa moa ? Ny asa hipaka eny anivon'ny vahoaka no hifampitsarana. Miandry ny tatitra ihany koa ny mpifidy, fa tsy ho sanatria fiara natao higalabonana eran'ny tanàna fotsiny ity fiara vaovao ity. 15 ireto depiote nahazo fiara ireto, ary ny anjaran'ingahy Zakahely, dia voalaza fa tsara pirina ao. Asa iza no omena azy io ?




Kaominina Ambanivohitra Andranomiady
Mahantra jerena, fa be arena miafina
"Tsy avela ho faralahy, fa ho vavimatoa". Fanirian-dramatoa ben'ny tanàna Rafarahaniriana Olivia eo amin'ny kaominina hiadidiany io. Antakavana, toerana iray any amin'ny distrikan'Ankazobe ato anatin'ny faritra Analamanga. Toerana lavitra andriana ary mafana amin'ny asan-dahalo. Noho ity kaominina ity ahiana ho fongana atsy ho atsy noho ny rano mikaoka mandavan-taona ny tanàna, dia nafindra ao Andranomiady ny renivohitry ny kaominina. Maro no tsy dia faly amin'izao fanapahan-kevitra izao ny tao Antakavana, ka mbola manjaka ny disadisa eo amin'ireto tanàna roa ireto. 75 Km miala ao Ankazobe no misy ity kaominina ity. Làlana mideza maharitra ora enina amin'ny fiara 4x4. Tendrony avaratra miala ny faritra Analamanga, ary 170KM miala eto Antananarivo renivohitra. Manana velaran-tany 720 KM tora-droa, ary ahitana mponina 7011. Ny mpifidy voasoratra anarana ao kosa 1992. Ireto kosa no anaran'ny fokontany ao : Antakavana, Maromandia, Ambatoharanana, Anosikely Nord, ary Antaniditra. Vola ho enti-miasa mahatratra 12.361.000.00 Ar no heverina hiditra ao amin'ny kaominina amin'ireo hetra isan-karazany.
Kaominina tsy misy tsena
Kaominina tsy mba misy tsena, ka manenjika aty Ankazobe isaky ny alatsinainy. Mamboly sy miompy ny mponina, saingy raha ny hita dia mbola maro ny mponina no mitorevaka fotsiny, tsy mahalala izay tokony ho atao. Misy sekoly fanabeazana fototra iray izay mijanona eo amin'ny kilasy faha-5. Miakatra ao Ankazobe raha te-hanohy ny fianarana. Fiangonana roa kely izay no ao, Katolika ny iray, izay mahazaka olona 20 eo, ary FJKM ny iray. Io kosa dia olona 50 no zakany.
Mbola manjaka ny resaka Dadarabe satria ny 90% ny mponina no mirona amin'io. Misy toera-pitsaboana iray izay manara-penitra ao, saingy izay olona tena mila fanonjena ihany no tonga mitsabo tena. Madio fitafy kosa anefa ireo mponina fa tsy sanatria misalaka toy ny any amin'ny faritra hafa. Renirano mandalo kilaometra vitsy ny tanàna no atao rano fisotro. Tsy misy lava-drano ao an-tanàna. Vitsy ihany koa ny mampiasa lava-piringa. Atsitokotoko eny ambody goavy ny manga na rotra ny maloto.
Be harena fa tsy voatrandraka
Manana ny harena ankibon'ny tany mampiavaka azy iny distrika iny. Isan'io ny volamena sy ny vato Berila. Ny fambolena, dia ny vary sy ny mangahazo, ary ny vomanga no hifotoran'ny mponina. Misy omby 6000 kosa ao amin'ity kaominina Andranomiady sy Antakavana. Làlana iray handalovan'ny dahalo avy mangalatra omby ity kaominina ity. Avy any Tsiroanomandidy, mipaka hatrany Anjozorobe. Tsy misy mpitandro ny filaminana ao, fa ny vahoaka no samy miaro ny fananany.
Dahalo ny iray tanàna
Noho ny asan-dahalo manjaka any amin'io faritra io, dia voatondro molotra ho dahalo ny iray tanàna. Be ny malahelo vokatry izany, saingy tsy afa-manoatra amin'ny tondro-molotra ny mpandalo. Saika misy isan-kerinandro ny halatra omby, ary ny asabotsy teo, dia omby 20 an'ny sefo fokontany ao Antanaditra no lasibatry ny dahalo. Vatan-dehilahy 80 no nanaraka dian'omby. Fitaovam-piadiana toy ny basim-borona sy fitaovam-piadiana mahery vaika no entin'ny dahalo manafika. Mandroba izay hitany ihany koa ireto dahalo ireto. Hentitra ny lehiben'ny faritra Analamanga
Ho atao Kaominina filamatra ity, hoy ny lehiben'ny faritra Analamanga Fidy Ratsimbazafy raha nidina nijery ifotony ny fahavoazan'ny kaominina. Apetraka ny rafitra maty paika, ahombiazana amin'ny fampandrosoana. Niara-dia taminy tamin'izany, ny teo anivon'ny fiadidiana ny repoblika ny alarobia teo. Ny tompon'andraikitra eo anivon'ny ministera sy ny avy eo anivon'ny fiarovam-pirenena. Mila ovana ny toe-tsaina eo amin'ny isam-batan'olona, hoy ity lehiben'ny faritra Analamanga ity. Atao izay ahazoan'ny vahoaka rano fisotro madio. Hamboarina ny làlana. Apetraka ny tetika hiadiana amin'ny asan-dahalo. Tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy handrato fanabeazana sy fahalalana. Lamina hafa no hiatrehana ny fambolena sy ny fiompiana. Vonona ny vahoaka, ary tsy hanaiky ho gisitra amin'izao fifaninana misy eto amin'ny samy kaominina izao. Tsy vitan'ny fanjakana samy irery ny asa fa mila fandraisana andraikitra goavana, hoy kosa ny depiote voafidy tany Ankazobe. Tetikasa goavana ireo, ary ny fiarahana mientana eo amin'ny rehetra no hampanjary ny asa.




Fonjan'Ankazobe
Kongona 12 kapoaka no mihinana ireo gadra
Manaova ny marina. Làlana iray tsy ahatafiditra anao any amponja io. Maharikoriko ny zava-misy ao amin'ny fonjan'Ankazobe. Lanin'ny kongona ireo voafonja, ka ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana no miditra an-tsehatra mamono izany amin'ny alalan'ny DDT. Isaky ny efa-bolana no hanaovana izany isan-taona, ary mahatratra 12 kapoaka no maty rehefa voahangona. Voalaza fa misy amin'ireo voafonja ireo ny manao asa ivelan'ny fonja. Mihoron-koditra noho izany ny mponina, satria heloka goavana no hitazomana azy ireo, nefa dia izao tafavoaka manao asa hafa izao ry zalahy.




Teny zato kabary arivo
Fiara ratsy, vata-paty mandehandeha
Mibahana ny sain'ny maro ny tontolon'ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy tantaraina intsony ny resaka solika fa efa samy mahatsapa ny tokony hataony. Amin'ny ankapobeny aloha dia toa nanaitaitra ny mpitondra fanjakana ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato, na an-dranomasina io, na an-tanety.
Saika aorian'ny loza hatrany vao hentitra ny fanjakana, hany ka izay tratra farany no tena manefa. Mitamberina indray ny fampatsiahivana ny lalàna velona izay efa nisy hatramin'izay. Ny teny an-dranomasina moa dia tsy nisy afa-tsy ny fanasaziana ny tompon'ny lakana, satria toa tsy manarapenitra angaha, matoa nisehoan-doza ka namoizana ain'olona maro. Ny fifamoivoizana an-tanety koa dia tratry ny fitsaboana aorian'ny fahafatesana hatrany.
Raha dinihana, dia manoloana ny haratsian'ny fiara miditra eto Madagasikara no tena fototry ny loza. Na henjana aza ny lalàna ao amin'ny ladoany, dia toa tsy voafetra kosa ny hatsaran'ny fiara miditra eto Madagasikara. Vitsy dia vitsy ny fiara vaovao, indrindra ny an'ireo hanao fitateram-bahoaka. Ity farany anefa no tena mpanao loza na amin'ny zotra nasionaly, na ny zotra eto an-drenivohitra.




Teny zato kabary arivo
Very maina ny ra latsaka
Nangatsiaka tsy mba nisy nahatsiaro intsony ny datin'ny 10 Aogositra 1991. Na ilay fanaterana voninkazo tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai aza tsy nisy nanao intsony. Ingahy Alain Ramaroson no mba mpanao io isan-taona, saingy samy manana ny fahasahiranany angaha ny rehetra ka dia ny nisafidy ny nangina no natao.
Tantara iray tsy azo kosehina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy iny daty iny. Aina maro no nafoy, ary ra maro no latsaka. Maro ireo mbola mitondra takaitra hatramin'izao, saingy toa tsy tsaroana intsony ny fisian'ireny. Voalaza fa maro ny olona tsy hita popoka mandrak'ankehitriny. Tolona izay nentina nanesorana ny mpitondra teo aloha, dia ny amiraly Ratsiraka io. Nilokaloka izay mpitondra nifandimby fa tsy maintsy hisy ny ampamoaka momba iny vono olona iny, saingy mbola ambatobevohoka hatrany rehefa injay tonga eo amin'ny fitondrana ry zareo.
Tolona, tolona hatrany ny fiainana. Niampita hatraty amin'ny raharaha 2002. Mbola maro ny ra latsaka, na dia misy aza no sahy milaza fa tsy nisy ady teto. Ny fitaovam-piadiana maro naparitaka tetsy sy teroa, asa na natao haingon-trano na ihany koa nifampifirana. Isika rehetra no mamaly izany. Ankehitriny, dia mbola misy ihany ny sahy mitaona ny olona hitolona. Ny ra latsaka hatramin'izay aza very maina, ka olona iza intsony no sahy hanao sorona ny ainy eo. Ekena fa misy ny finiavana hitaky ny marina, saingy firy moa izay olona nilaza fa tsy hanaiky lembenana amin'ny rariny sy ny hitsiny izay, nefa adino ny teny nifanimezana rehefa azo ny mamy notadiavina ? Zary tohatra fiakarana hatrany ny Malagasy ka leo sy fay ny ankamaroany. Tsy ho gaga isika raha marefo ny fahavitrihan'ny rehetra rehefa misy miantso haneho hevitra etsy sy eroa. Ilay tapa-tongotra tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai vokatry ny fipoahan'ny grenady aza toa tsy misy mahatsiaro intsony hatramin'izao.
Sa hafa ny tamin'ny 1947 sy ny tao afara, ka tsy mila tsarovana intsony ny taty aoriana ?




Kaominina Andoharanofotsy
Coiffure" iray, takiana vola ar 400 000
Mandalo eny amin'ny faritra atsimondrano eny ny fisafoana ny entana lany andro sy tsy ara-dalàna eny amin'ireny mpivarotra enta-manidika ireny. Savaina avokoa ny entana rehetra ka nahitam-bokany tokoa izany. Saika efa lany andro ireo entana amin'ny fivarotana enta-madinika, sy vaventy. Ny zava-pisotro, na amin'ny tavoahangy, na amin'ny zavatra hafa, ny biscuit, ny hena am-by fotsy sns... no tena betsaka lany daty, misy aza efa tamin'ny taona 2006. Ninia nivarotra izany ireo mpivarotra ka noraofin'ny tompon'andraikitra avy amin'ny minisiteran'ny varotra. Poizina tokoa ireny ka rariny raha misy ny fitarainana ataon'ny mpanjifa.
Ny eo amin'ny lafiny fampandrosoana kosa indray, ao amin'ny kaominina Andoharanofotsy, dia mandeha ny fanadiovana ny tsy ara-dalàna. Ny mpivarotra no voakasiky ny resaka eto. Manomboka alaina amin'izay ny hofan'ny takela-by, na sora-baventy mitsatoka eny amoron-dàlana eny, na mipetraka amin'ny trano fonenana aza. Arakaraka ny haben'ny takelaka sy ny halavan'ny soratra no andoavana vola, ka raha ny an'ity mpanao volo iray eny an-toerana dia takiana ar 200 000 isan-taona. "Coiffure Aina" no soratra eo amin'ny takelaka. Lehibebe noho io ny an'ny trano fanaovam-bolo iray eo akaiky eo, andoavana ar 400 000. Patanty hono io, araka ny filazan'ireo mpanao volo, ka na any an-tokantrano aza dia takiana vola. Dia ho vola be tokoa no ho azon'ity kaominina ity satria maro ireo sora-baventy an'ireo sekoly tsy miankina isaky ny elakelan-trano. Raha ny haben'ireny mantsy dia tokony handoavana ar 1 tapitrisa any ho any.




Adala ao Anjanamasina
Namosavy dia lasa adala
"Efa aty amin'ny toeran'ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin'ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon'ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io.
"Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin'ny fasan'olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin'ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, ary miasa io vadiko io. Rehefa hiverina eny anivon'ny fiaraha-monina aho dia tsy haiko intsony izay handraisan'izy ireo ahy". Ny nahatsikaiky, dia notoloran'ny fikambanana Lions Club bodofotsy iray avy ireto marary ireto, ary saika tsy nandray izany ity vehivavy ity. "miasa ny vadiko, ary mahavidy aho. Raha fanampiana tany amin'ny filoha Ravalomanana io dia tiako", hoy izy.
Fa ankoatry izay, dia voalaza fa mandoa vola hatrany amin'ny 1000 ariary ka hatramin'ny 1600 ariary isan'andro ireto olona tsaboina ireto. Io no atao sakafo isan'andro. Iray volana no faharetan'ny fitsaboana, ary mitambatra anaty faritra iray ny lahy sy ny vavy. Izay ataony ao indray toa tsy olana satria mila izany ny vatan'olombelona. Ny marary vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina no tena betsaka tsaboina ao ary tsy vitsy ihany koa ny lasa adala nohon'ny tsy fahazakana ny onjam-piainana. 69 ireo marary tsaboina ao, hoy ny tompon'andraikitra iray eny an-toerana dia ingahy Fedol izany. Mora ihany koa ny fanafody eny raha hampitahaina ny eny amin'ny fivarotam-panafody. Ampy hitsaboana ny marary saina tsara ny iray volana, hoy ireo mpitsabo eny, satria maro no efa sitrana tao anatin'izay ka nalefa nody.




Anosibe
Nifanehatra ny andian-jiolahy roa samihafa
Olona tamin'ny tokantrano roa samihafa no indray niantso vonjeo tamin'ny zoma alina nifoha sabotsy, tokony ho tamin'ny iray ora alina teo. Tao amin'ny tanàna iray ao Mandrangobato II, Anosibe no nisehoan'izany. Tsy fantatra na tarika iray ihany izy ireo na jiolahy andiany roa samihafa fa niara-nigadona ny antso vonjeo sy ny feon'ny kiririoka. Fianakaviana iray mpanamboatra vatomamy ny iray. Jiolahy miisa 5 eo ho eo no tazan'ny tompon-trano. Nisy nandona ny varavaran-kely saingy tsy sahy namoha trano ny tompony. Ny olona tao ambony rihana no nahatsikaritra ireo jiolahy, saingy hitan'ireo jiolahy ka norarafany tamin'ny tora-bato. Vetivety anefa dia tapitra namoha ny varavarany ny manodidina ka nandositra ireo jiolahy. Nifanandrify tamin'io ihany ny tao amin'ny trano iray, mpivarotra vary amin'anana sy saosisy.
Ramatoa iray vao teraka, andro vitsy izay, no nidiran'ny lehilahy ranjanana iray an-keriny. Nodoniny mafy ny varavarana sady narahany teny hoe : "nankaiza ilay olona niditra teo ?" Nikiakiaka ramatoa ka rifatra nandositra koa ilay jiolahy. Nanomboka teo, iny alina iny ihany dia nametraka hevitra hitandroana ny filaminana ireo mpiray tanàna ka tsy handry andro, tsy handry alina. Ity faritra notafihan'ny jiolahy ity moa dia isehoan'ny fahatapahan'ny herin'aratra matetika, sady mandritra ny alina manontolo no tsy mandeha izany isaky ny misy fahatapahana. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia nazava be teo an-tanàna, mbola sahy nanafika ihany ry zalahy. Arak'izany dia aleo mailo, fa ny mpitandro filaminana toa tsy ho sahy hiditra any anaty elakelan-trano any. Tsarovy anefa fa ny aina no manefa amin'ny fitsaram-bahoaka.




Teny zato kabary arivo
Fanjakan'ny Baroa
Be ny mpanararaotra, fa ny fanaraha-maso koa no tsy ampy. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra. Izay angamba no heverin'ny sasany fa fahalalahana.
Raha vao mandre ny rehetra fa miakatra ny vidin'ny solika, dia ny mby ao antsain'ny rehetra, dia ny ho fiakaran'ny saran-dàlana avy hatrany. Niakatra ny asabotsy teo ny ankamaroan'ny saran-dàlana manerana an'i Madagasikara. Nahatratra 30% ny fiakatry io saran-dàlana io. Sahirana ny mpandeha maro manoloana izany, satria nisy ny tsy nanam-po amin'io fiakarana io. Midika avy hatrany fa ny kely vola dia tsy afaka hivezivezy manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Hiakatra avy hatrany ihany koa ny vidin'entana mifamezivezy amin'ireny faritra ireny. Ny tsapa dia nisy ireo fiara tsy nampiakatra izany saran-dàlana izany. Ny antony dia voalaza fa tsy maty antoka izy ireo raha mitazona ny sarany amin'izao. Ny vidin'ny solika isaky ny mpaninjara dia io hiarahana mahita io ny fahasamihafany.
Heverin'ny sasany ho fanjakan'ny Baroa ny eto, ka izay tiany atao no atao. Mila fanaraha-maso hentitra ihany ny tahaka izao, na dia ao anatin'ny fahalalahana aza isika. Ho aiza ny hiafaran'ireto madinika ireto, raha toy izao hatrany no mitranga, na eo amin'ny saran-dàlana io, na ihany koa eo amin'ny vidin'entana ?




Maître Avoko : "Mifohaza ry Gasy !"
Hampidinina Andriamanitra
"Tsy mety intsony ny fiainan'ny mpiray firenena eto Madagasikara, hoy Maître Avoko Rakotoarijaona, na inona na inona fiovana natao !" Manaitra ny rehetra izy ankehitriny, hiova ary hitodika amin'Andriamanitra, hitady vahaolana hanavotana ny firenena amin'izao fahavoazana tsy eran'ny aina izao. Firenena nahalala an'Andriamanitra hatramin'izay i Madagasikara, araky ny fanazavan'i Maître Avoko, ary niaina tamin'ny fahatahorana azy foana mandra-pidiran'ny kolontsaina vahiny noraisintsika nanapotehana io nampiavaka ny malagasy io, ka nahavery ny maha-izy azy sy ny fanavotana tokony ho anjarany.
Fiombonam-bavaka
Tsirin-kevitra itarihany ny firenena iray manontolo ary manomboka ny zoma 15 aogositra izao ny fiaraha-manandra-bavaka hangataham-panafahana amin'Andriamanitra satria tsapa fa tsy hisy hahavaha izao olana itambarambe eto amintsika izao raha tsy izy ihany. Andro masina sady androm-pitiavana ny zoma, hoy izy, ka tsara hiaraha-mivavaka. Mbola soso-kevitra avy aminy ihany koa ny hifamotoanana isaky ny amin'ny 8 ora alina hanaovana io vavaka iraisana io mandritry ny 2 minitra ka tsy hifidianana toerana ny fanaovana azy. Hiova isan-kerinandro kosa ny lohahevitra hiarahana ary hampahafantarina ny malagasy rehetra amin'ny alàlan'ny fampitam-baovao izay lohahevitry ny vavaka hatao isaky ny zoma. Tsy ho ela dia hahitam-bokatra ity fomba ity raha manam-piniavana ny rehetra, hoy ny mpitarika ka tsy ilana fifanonganana intsony na tsy mandeha aza ny fitantanan-draharaha satria tsy ny mpitondra no hamaha ny olana fa Andriamanitra.




Vita ny FIER MADA
Mahay ny Gasy, fa tsy ampy tosika
Liana ny maro nahita ny ezaky ny tantsaha. Izay tsy tonga teny amin'ny FIER MADA kosa, dia ny akony sisa tsaroan'izy ireo. Andro vitsy no nanatontosana ity foara ity tetsy Antanimena. Mpikaroka sy tantsaha maro no tonga teny an-toerana. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay, indrindrindra fa ireo olona tia karokaroka sy tia ny tontolo ambanivohitra.
Ny akony tamin'ny haino aman-jery samy hafa no nahavaky vava ny nahita hoe "hay mahay tahaka izao ny Malagasy, fa tsy ampy ny fanosehana azy ho tonga amin'ny ambony kokoa noho izao". Ny fikarohana momba ny harina sy ny angovo azo avy amin'izany dia hita tao amin'ilay foara avokoa. Ny fiompiana sy ny fambolena, izay làlana iray tsy azo hialana momba ny fampandrosoana ny firenena dia nahazoana lesona ho an'ireo izay liana tamin'izany. Fampitomboana ny vokatra ho avo dimy heny raha teo amin'ny fiompiana tantely. Ny fiarovana ny tontolo iainana nefa tsy mandany vola amin'ny famoronana arina fandrehitra.
Santionany ireo, ary mila atao isaky ny telo volana toy ny ""Braderie hoy ny mpitsidika. Ny antony, dia ho mora amin'ny vahoaka ny ahay haka lesona sy ahatsapa ny ezaky ny tantsaha amin'ny fambolena. Toy izany koa ireo manam-pahaizana mpikaroka eto amintsika. Ny tosika avy amin'ny fanjakana sy ny mpamatsy vola no làlana iray ahatafavoaka antsika amin'ny fahantrana. Ny mampalahelo amin'izao ezaky ny mpiray tanindrazana izao, dia vitsy ny Malagasy liana amin'ny hetsika toy izao. Ny vahiny indray no manome lanja ny fikarohana Malagasy, ary tsy vitsy tamin'ireto mpikaroka ireto no nahazo fifanarahana ara-barotra tamin'ny vahiny nitsidika tao.




Fikambanana Manaovasoa
Vita ny tetik'ady hampandrosoana ny firenena
Tahirin-kevitra 110 pejy no vita. Efa nanomboka tamin'ny taona 1999 no niketrehana ity tahirin-kevitra ity, ary haparitaka manerana ny faritra 22 manomboka izao. Amin'ny alalan'ny CD no hanaovana izany ary amidy fa tsy ho zaraina fotsiny.
Io no nambaran'n'ny fikambanana "Manaovasoa" tao amin'ny ACEEM Radio ny alahady antoandro teo. Notarihan'ny dokotera Manan'Ignace sy ireo mpikambana ao aminy. Ny lafiny politika, sosialy, toe-karena, fanabeazana ary ny kolontsaina dia hita ao avokoa. Ny sehatry ny Politika dia voalaza fa lasa resaka fotsiny ny hambara ho demokrasia eto. Aoka tsy hisy ny valifaty politika, ary tokony hisy ny fahalalahana maneho hevitra. Tsy tokony hanapa-kevitra irery izay mitondra fa ilaina ny fiaraha-midinika. Io no tsy mampandroso ny tanindrazana.
Momba ny tontolo ambanivohitra sy ny fahasalamana dia tokony tsy handoa vola ny vahoaka Mlagasy amin'ny hopitalim-panjakana. Midika io fa ny fanjakana no miantoka ny ain'ny vahoaka. Toroina hevitra sy ampiana ny tantsaha eo amin'ny sehatry ny fambolena. Mankasitraka ny hevitry ny fanjakana ny "Manaovasoa" momba ny fampiharana ny teny Malagasy ho enti-mampianatra. Tsy ampianarina ihany fa atao matanjaka ny fanabeazana ny olom-pirenena rehetra ahay handray andraikitra.
Ity tahirin-kevitra ity dia voalaza fa efa naparitaka tamin'ireo kandida nifaninana rehetra teto, saingy toa tsy nampiraika azy ireo ny voarakitra tao anatiny.




Mifandrangitra
"Hitohy ny hetsika. Tsy amelanay raha tsy tafahaona amin'ny vahoaka eto andrenivohitra izahay fikambanan'ny mpanohitra miray. Tafiditra ao anatin'ny vovonay ny fanjakana, ary tsapa fa matahotra ny hivoahan'ny marina ry zareo".
Lahateny nataon-dry Daniel Ramaromisa sy Marson Evariste ary ny Profesora Zafy Albert io ny alatsinainy teo. Tao anatin'ny hetsika izay saika hikabarian'izy ireo tamin'ny vahoaka tetsy amin'ny tranompokonolona Analakely. Taitra ny rehetra, fa vory lanona tao Analakely ry mpanohitra isany, rehefa tsy hita nandritra ny fotoana maharitra teto Iarivo. Ny famoriam-bahoaka dia efa ela no tsy nasahiany nanao izany satria ireny niarahana nahita ireny ny daroka nataon'ny ankolafin'olona azy ireo. Zary tsy nisy tohiny intsony ireny fikasihan-tànana mpanao politika sy olom-boafidy tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai ireny. Isika rehetra angamba dia samy mahatsiaro ny tantara. Ny fanjakana ihany koa etsy ankilany dia tsy manaiky lembenana, ka izay mihanan-kendry dia ny fonja no miandry azy. Porofon'izany ireny tany Fianarantsoa farany teo ireny. Ny vahoaka kosa dia mitazana, izay fifandirana sy ny fifandrangitana ataon'ny andaniny sy ny ankilany.
Inona tokoa no heloky ny fanehoan-kevitra anaty efi-trano ? Tahotry ny fanjakana izay hita fa ao anatin'ny heriny ve, sa ny fiainam-bahoaka tsy mila korontanina ? Tena haneho hevitra malalaka tokoa ve ny mpanohitra sa hanongam-panjakana ? Fanontaniana mivoaka ny vavan'ny vahoaka ireo ka isika no mamaly azy any an-tsaina any.




Bakalôrea
Mpianatry ny Oniversite nisandoka ho kandidà
Malaza isan-taona ny fanadinana bakalorea any Betioky-Atsimo. Tonga any avokoa ireo te ho afa-panadinana manao kandidà mahaleotena. Tonga any avokoa ireo kandidà avy any Toliara, Fianarantsoa, Antananarivo, hatrany Antsiranana rehefa hanala fanadinana Bacc. Tsy misy fanarahamaso hentitra. Ao ny mitondra kahie, ao ny soloina olon-kafa sy ny sisa. Tapitra anefa izany ankehitriny. Tratra ireo mpisandoka tamin'ny fanadinana farany teo. Mpianatry ny oniversite roalahy no nisolo mpiadina hafa niatrika bakalorea. Ny iray mpianatra taona fahatelo amin'ny sampam-piofanana, Fitantanana ao amin'ny oniversiten'i Toliara. Ny iray hafa koa, taona fahefatra any amin'ny sampam-piofanana Lalàna.
Vao nanomboka ny fanadinana ny andro alatsinainy dia tratra ny voalohany, tamin'ny taranja Malagasy. Efa andro farany, ny alakamisy hiadina sciences SVT kosa vao fantatatra ilay farany. Karapanondro sandoka no nentin'izy roalahy. Ny anarana voasoratra ao anaty karatra an'ilay tena mpiadina, ny sary tapaka kosa no hafa satria an'ilay mpisandoka hanala fanadinana.
Ny kandidà mahaleotena no betsaka noho ny kandidan'ny sekoly satria raha 54 ny kandidàn'ny sekoly dia tafakatra 70 ireo mpiadina mahaleotena. Ireo avy any amin'ny Faritra hafa no anton'izany. Nisy seho nitovy tamin'izao ihany koa tamin'ny taon-dasa tao Betioky-Atsimo saingy tsy nisy tohiny izany. Niasa mafy izay lehiben'ny foibem-panadinana tany an-toerana tamin'ity farany ity satria nahatratra mpisandoka. Fanampin'izany, nisy mpiadina enina hafa koa tratra nitondra taratasy na kahie miafina.
Fantatra fa hiakatra filankevitry ny fitsipipifehezana na " CODIS " ireo mpianatra tratra nisandoka ireo. Tsy misy hifandraisany amin'ireo tena mpiadina ireto mpianatry ny oniversite ireto fa nokaramaina fotsiny. Mafy tokoa ny te ho afaka Bacc kanefa diplaoma fotsiny angamba no tadiavin'ireo mpanao afera izay tsy tratra hatramin'izay. Azo inoana fa misy any amin'ny tany lavitr'andriana koa izao nitranga tany Betioky izao. Njaka Navonisoa




Tonga ny filoha Ravalomanana
Hampiakarina avo ny fanatanjahantena Malagasy
Nampihetsika ny hambom-pon'ny filoha Ravalomanana ny lalao atao any Beijing. Malagasy vitsy no nandray anjara tamin'izany, ary raraka hatreto ny telo tamin'ireo enina nandray anjara. Niaiky ny filoha fa avo lenta tokoa ity lalao ity, ary zava-dehibe ho antsika ny mandray lesona tsara tamin'izany. Roa sosona ny zavatra vita tany, ka isan'io ny nahazoan'ny filoha ilay mari-boninahitra indray. Tsapan'ny vahiny ny ezaka vita, ary porofon'io ny nandraisan'ny filoha Sinoa voalohany ahy, hoy ny filoha Ravalomanana. Ho ataontsika laharam-pahamehana ny resaka fanatanjahantena, hoy ihany ny filoha tamin'ny fahatongavany avy any Beijing omaly teny Ivato. Tsy tokony ho kivy amin'ny ezaka vitan'ny tanora tany isika, ary nangataka ny hanampian'ireo manam-pahaizana vahiny ny tanora Malagasy.
Naneho ny heviny momba ny fanakanana ny hetsiky ny mpanohitra ny alatsinainy teo ny filoha. Tsy tokony ho potehina amin'izany ankizy. Tsy tokony ho roritina iny resaka iny, fa aleo aloha handeha, dia ho hita eo na mandeha na tsia. Ny fampianarana tsy mbola mandeha koa iny ve no hanaovana kaonferansa hamoriam-bahoaka ?
Momba ny sinoda lehibe atao any Mahajanga manomboka anio, dia nolazain'ny filoha fa tsy hanohana kandida izay hitarika ny FJKM ny tenany. "Resaka finoana io, ka ilaina milamina sy entina am-pinoana. Efa tsy nanohana aho tany Ambatondrazaka. Niteraka resabe iny, nefa ny tenako tsy tao tamin'iny raha vao nanomboka kely ilay fivoriana. Mila finoana io, ary mila matanjaka".




Teny zato kabary arivo
Karakarao fa mivoraka
Vanim-potoana fialan-tsasatra izao. Maro ny mponina no mandeha any amin'ny faritra maro samy hafa eto Madagasikara. Toy izany koa ireo vahiny izay tonga eto. Isan'ny mampiditra vola vahiny betsaka ny tahaka izany. Mety hampihemotra ny vahiny anefa ny fandrenesana ny fiparitahan'ny aretina maro samy hafa eto. Isan'io ny vokatry ny firaisan'ny lahy sy ny vavy. Ny SIDA sy ny sifilisy izay heno tao ho ao fa mahazo vahana any amin'ny faritra. Manampy trotraka io ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Manakoako eran-tany ny zava-dratsy tahaka izany, ary koditra ny vahiny. Ireo mba tsara mampalaza ity nosy ity dia takon'ny ratsy tahaka izao. Manana andraikitra goavana amin'izany ny tsirairay. Raha ny zava-tsarobidy mampiavaka antsika no atao manakoako ho ren-tany aman-danitra, dia ho azo antoka fa hiroborobo ity sehatry ny fizahan-tany ity. Andraikitra miandry ny mpanao gazety io. Mila henjana ihany koa ny fanjakana amin'ny fanaraha-maso ny vahiny. Tsapa fa ny famiraviran'izy ireny ny tanora Malagasy amin'ny tambiny mora no fototry ny aretina. Tonga ny vahiny hiala sasatra. Karakarao fa mivoraka ny fiarovana ny tontolo manodidina, mba tsy ho fahatsiarovana ratsy no hita, fa ny tsara no hifaninanana.




Antsirabe :
maro ny loza niseho ny faran'ny herinandro teo
Iray maty, 7 hafa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana roa samihafa niseho tao Antsirabe tao anatin'ny roa andro. Ny asabotsy dia posy roa no nofahon'ny fiara madinika iray teo Andranomadio : naratra vokatr'izany ny mpitari-posy sy ny olona nentiny. Nahita izany ilay fiara nandona dia nitsoaka nirifatra, 1 Km niala teo dia nidofotra indray teo amin'ny vavahadin'ny « Service technique » voirie ilay fiara nandona, navelan'ny mpamily teo ilay fiara fa ity farany kosa tsy hita izay nalehany mandrak'androany, ny fiara kosa efa naiditra « fourrière ».
Ny alatsinainy indray dia olona saika hamonjy famadihana avy niala ny zotra nandehanany no nofahon'ny fiara 4x4 iray ka maty tsy tonga akory teny amin'ny Hopitaly, 5 hafa kosa mbola mandray ny fitsaboana azy eny amin'ny toeram-pitsaboana. Ny olona rehetra tao anatin'ilay fiara, na dia nivadika aza ilay fiara, dia tsy nisy naninona na dia iray monja aza. Ny herinandro lasa teo dia nisy dinik'asa momban'ny aro loza amin'ny fifamoivoizana teto antsirabe, niarahana tamin'ny ministeran'ny fitaterana ary ireo mpitandro ny filaminana ary koa ny avy ao amin'ny Bianco. Tanjona tamin'izany ny tsy hisian'ny lozam-pifamoizana intsony eto an-toerana mandritra ny enim-bolana farany. Eo ihany koa ny hialana amin'ny kolikoly an-dalam-be. Tsy niherina akory ny fotoana dia niseho ny loza ary namoizana ain'olona maro.
« Samia manao ny asany isika »
Nandritra io fikaonan-doha io dia nisy tompon'andraikitra nanome tsiny ny mpanao gazety avy hatrany tamin'ny famoahana ireny vaovao mahakasika ny lozam-pifamoivoizana ireny, anefa ny rehetra dia samy manao ny asa mifanandrify amin'ny tsirairay avy, fa tsy mbola nisy tsy akory nisalovana ny asan'ny hafa. Mbola mila ezaka goavana ny ady atao amin'ny lozam-pifamoivoizana eto Antsirabe.




Teny zato kabary arivo
Resy tsy fitsena
Ny resy tsy fihoby. Io no tsapa amin'ny fanatanjahan-tena Malagasy. Manoloana ny faharesena nitranga tamin'ny mpilalao Malagasy, na teo amin'ny baolina lavalava, na ihany koa teo amin'ny lalao baolina kitra, dia ny Barea izany.
Raha vao tafakatra tamin'ny sehatra ambonimbony izy ireo, dia saika nanakoako aty amintsika ny zava-bita. Teo ihany koa ny fikarakarana makotroka natao ho an'ireto mpilalao ireto raha vao andeha ho any ivelany hiatrika ny lalao iraisam-pirenena. Resy ry zalahy, ary nangina ny fitsenana azy ireo. Toy izany koa ny lalao any Beijing, izay nitondran'ny mpilalaontsika atody nody. Tsy re-tsaika avokoa ny fahatongavany teto an-tanindrazana. Honjohonjon'izy ireo samy irery no tonga teto amin'ny tany nihaviany. Hatraiza ny fikarakarana ny atletantsika e ? Fa fidiny ho azy ireo ve no resy ? Ny mampalahelo aza dia ny tsy nahitana mpanazatra mba nikarakara teo amin'ny taranja ady totohondry tany Beijing farany teo. Tsy ho gaga isika raha resy hatrany, satria miainga any amin'ny sehatra isan'ambaratongany mihitsy no tsy ampy fikarakarana. Mbola resaka vola hatrany ve no hambara fa fototr'io, sa ny finiavana eo amin'ny fanjakana mipaka hatrany amin'ny clioba mihitsy no tsy misy ? Soa aloha fa nametraka ny taranjam-panatanjahan-tena ho zava-dehibe ny filohan'ny nosy, ka ho anatra izao zava-misy hiainan'ny tanora Malagasy izao. Ho makotroka ny fandraisana azy na resy na mandresy, fa tsy sanatria ho atao tahaka ny niseho farany teo ka ny resy tsy misy mpitsena. Hampietsika ny hambom-po ny tanora ireny, ka hanao ezaka lehibe eo amin'ny sehatra misy azy.




Aretin'ny homamiadana
Sitrana eto an-toerana ny 50% ireo marary
Tsy izay voan'ny homamiadana dia ho faty. Mahasitrana izany isika, saingy ny fitsirihana no mila atao mialoha, raha vao mahita ho tsy mety amin'ny vatany ny olona iray. Ny mampalahelo, dia ny tsy fahampian'ny fitaovana entina mitsabo. Fanazavan'ny mpitsabo etsy amin'ny HJRA io ny alakamisy teo. Maro ny olona no tsy mahalala ity aretina ity. Izay no hanaovan'ny AROM " Association d'appui à la Radiothérapie et l'Oncologie" hetsika mba ahafantaran'ny vahoaka izany. Voalaza fa ny nono sy ny tranon-jaza mateika no tratran'io aretina io. Vokatry ny firaisana ara-nofo matetika no mahatonga izany.
Tsara ny milaza fa mandia fotoan-tsarotra ny mpitsabo etsy amin'ny HJRA, araky ny nambaran'ny Profesora Josoa Rafaramino Florine, noho ny tsy fandehanan'ny Radiothérapie ao amin'ity hopitaly ity. Efa ho 2 volana izao no maty io fitaovana fitsaboana iray io. Misy ny firenena vonona hanome io fitaovana lehibe io, saingy ny trano hitoerany no tsy misy. Nisy fampanantenana nataon'ny ministra Jean Louis Robinson ny hananganana io trano io izay mitentina 4,4 mialiara ariary no enti-manana. Mila finiavana politika raha te-ho vita izany trano izany, hoy ireto mpitsabo ireto. 1500 isan-taona ireo tsaboina amin'io fitaovana io, ary tsy ampy ampaha-zaton'ny olona tsaboina eto akory ireo. Raha vita io trano io, dia olona 1 tapitrisa isan-taona no tsaboina amin'ny masinina enina, dia ilay radiothérapie izany. Amin'izao, dia voalaza fa 20 isan'andro no tsaboina eto, ka fitaovana hafa amin'ny alalan'ny fanafody atelina no hitsabona azy ireo.
Nanamafy ireto mpitsabo ireto, fa maro ny olona milaza fa mahasitrana homamiadana. Tokony hifanampy amin'ny mpitsabo izy ireny fa tsy hiolonolona ahavita samy irery izany. Ny tsapa dia maro no misandoka, ary ny marary koa tsy manan-tsafidy, satria efa very fanantenana. Manoloana ireo rehetra ireo, dia hanao cabaret etsy amin'ny Le Hintsy Ambohimanambola izy ireo ny 5 Septembra izao. I Bodo sy Dadah Rabel no hanafana ny fotoana. Ny vola ho azo amin'izany, dia entina hanamafisana ny serasera miampita any amin'ny vahoaka.




Lava tongotra
Izay mahavangivangy tian-kavana. Fomba fiteny taloha, nefa mitoetra ankehitriny. Fifaninanana isaky ny kaominina izao no malaza. Samy mandray anjara amin'izany ny ben'ny tanàna mahatsapa fa manana asa mivaingana afaka atao ho modely ao anatin'ny faritra misy azy. Tsara izany, satria fifaninanana masina no atao.
Tsy tokony hijanona eo anivon'ny kaominina ihany anefa ny resaka, fa tokony hipaka hatrany amin'ny sefo distrika sy ny lehiben'ny faritra. Raha ny hita tokoa, ny herinandro lasa teo, dia lehiben'ny faritra vitsy eto amintsika no saika hita mivantana mihaona amin'ny vahoaka. Lava tongotra, hoy ny mpitazana, ka tsy hita matetika any anaty birao. Tsy hianona fotsiny ao anaty birao anefa no hametrahana ireny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ireny. Baiko entitra no nampitain'ny filoha Ravalomanana ho an'ireo manana andraikitra isaky ny biraom-panjakana dia ny hidinany ifotony, ahafantarana ny olana mianjady isaky ny fokontany sy ny kaominina ary ny faritra. Hafa ny mahita noho ny mandre. Antenaina fa ny fifaninana atao manerana ny kaominina dia hipaka hatrany amin'ny faritra ihany koa. Inona moa ny olana na hatrany amin'ny ministera isan'isany mba ahita ny ministra tena miasa ? Ny vahoaka no hitsara, ary ny vokatra azo dia hipaka any amin'ny isam-batan'olona. Raha tsy hoe angaha resaka politika no mahazo vahana, ka takon'io ny olona tena miasa.




Kaominina ambanivohitra Anjanadoria
Tsy very maina ny volan'ny filoha
Efa tonga ny fanampiana avy amin'ny filohampirenena, ary manampy betsaka ny kaominina. Maro ny asa eritreretina hatao ary efa misy aza ny efa an-dalana mihitsy.
Mibahan-toerana amin'izany ny voly avotra. "Malalaka tsara ny kaominina, hoy ny ben'ny tanàna, Rakotoniaina Annie. Ankoatra ny 200 hektara novolena ala, dia natokana ny 20 hektara hafa hanaovana voly avotra, miaraka amin'ny vahoaka izay vonona. Tanim-panjakana io tany io, ka vatsiana masomboly ary zezika. Omena 1 hektara isan'olona. "Amin'ity taom-pambolena ity, ohatra, dia manantena ny hampakatra katsaka tsy latsaka ny 40 taonina izahay". Ny ao Antanetibe Mahazaza dia efa lalam-barotra azo antoka noho izy be mpiompy akoho.
Mahavelon-tena ara-bary ny ao Anjanadoria. "Manondrana ihany koa izahay. Efa mbola entanina ny tantsaha hamokatra bebe kokoa mba hanatsarany ny fari-piainany. Ankoatra izay, betsaka ny rano hahafahana miompy trondro. Tetikasa iray ny hananan'ny fokontany, miisa 14, dobo iray avy ka hovatsiana amin'io volan'ny filoha io", izy ireo.
Ao amin'ny distrika Ambohidratrimo no misy an'Anjandoria, saingy tsy lavitra an'Ankazobe. Mba hiverenana amin'ny fandriampahalemana, dia notolorana finday tsirairay avy ireo sefo fokontany hanamorana ny fifandraisana amin'ny sefon'ny borigadin'ny zandary.
Tsy misy afa-tsy CSB iray ihany ao an-toerana hatramin'izao. Nisy CSB II ihany tao, saingy rindrin-tany tany aloha ka tsy azo ampiasaina intsony. Ny 50 % n'ny vola dia hanavaozan tanteraka azy, hampanara-penitra. "Efa an-dalana rahateo ny fifanarahana amin'ny mpiara-miombona antoka, satria dia làlana 20 km be izao no hizoran'ny vehivavy hiteraka". Mila io CSB io avokoa hatramin'ny kaominina Antanetibe Mahazaza sy Mahavelona.
Misy mpianatra mandeha 10 km vao mahita toeram-pianarana. Hanampy ny kaominina ny Rotaract amin'ny fanorenana EPP vaovao.
An-dalam-panamboarana ihany koa ny làlana 16 km amin'iny RN. 4 iny. Tsy voatery ho vita tara. 32 km hafa angatahana fanarenana.
Nangonin'i R. Volana A.




Fitsidihana tany Fianarantsoa
Nanazava ny fanovàna misy ny Praiminisitra
Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovan'ny mpiasam-panjakana tatitra manomboka izao fa ireo tomponandraikitra any amin'ny toerana hiasany ihany koa.
Tsy maintsy mahazo tatitra any amin'ny sefo-ZAP momba ny fampianarana ohatra ny ben'ny tanàna ao amin'ny kaominina hiasany. Torak'izany koa ny "médecin-chef" amin'ny tobim-pahasalamana fa tsy any amin'ny minisitera ihany. Eny anivon'ny distrika koa tahataka izay, manao tatitra isam-bolana any amin'ny lehiben'ny distrika ny "médecin inspecteur" miasa amin'ny SSD, ny lehiben'ny CISCO sy ireo sampan-draharaha hafa. Hatramin'izay dia ny tomponandraikitra isaky ny ambaratongan'ny minisitera hiasana ihany no hanaovana tatitra. Ny any amin'ny faritra indray, manao tatitra toy ny mahazatra ireo lehiben'ny sampandraharaha misy ao aminy.
Misy ben'ny tanàna tsy mahalala akory ny isan'ny mpianatra afaka fanadinana CEPE ao aminy satria tsy misy fifandraisany izy sy ny sefo ZAP ao aminy.
Nanao dinik'asa ho an'ireo lehiben'ny sampan-draharaha isan-tsokajiny tany Fianarantsoa ny Praiminisitra, Charles Rabemananjara, ny alakamisy teo. Nampahafantatra ny fiovana hisy amin'ny firafitry ny fiarovam-pirenena sy ny fitandroana ny filaminana anatiny. Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovana ny tatitra.
Nohazavaina teo anoloan'ireo mpitandro ny filaminana sy foloalindahy niasa ao Fianarantsoa kosa ny firafitry ny fiarovam-pirenena vaovao. Ny miaramila hiandraikitra ny fiarovana, ny zandary sy ny polisy kosa hisahana ny filaminana anatiny. Izay no fiovana tsy maintsy atrehina ankehitriny. Niaradia taminy ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Panja Rapanoelina, ny lehiben'ny Etamazaoro jeneralin'ny tafika malagasy, ny jeneraly, Razafindralambo Rivo Hanitra, ny kaomandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly, Lucien Raharijaona, ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena, Talbot Antonin. Tao amin'ny efitrano fivorian'ny faritra Ambonin'i Matsiatra tao Tsianolondroa no nanatontosana ny fihaonana.




Tambatra
Meeting suspendu à Ambositra
Les membres du Tambatra à Ambositra n'ont pas encore obtenu une réponse à leur demande d'autorisation de réunion pour cette fin de semaine. Ils ont demandé aux responsables district d'Ambositra l'autorisation pour faire une réunion. Mais ils n'ont obtenu aucune réponse à cause de l'absence de responsables compétents de leur bureau. Ainsi, ces partisans de Pety Rakotoniaina d'Ambositra ont peu d'espoir d'avoir une autorisation pour leur réunion prévue pour la fin de cette semaine. En effet, cette réunion devait se tenir le vendredi 22 et samedi 23 août prochains. Elle était déjà prévue se tenir à Fianarantsoa, mais les membres ont ressenti une forte réticence des autorités locales, et ils ont décidé de tenir la réunion à Ambositra, mais voilà qu'ils sont bloqués. Le comité pour la réconciliation nationale, le CRN, a été déjà victime d'un tel cas dans la province de Toliary, le vendredi 25 juillet dernier. « Le chef district est absent de son bureau ». Telle a été la réponse obtenue par les membres du CRN lorsqu'ils ont demandé une autorisation de faire un meeting dans la ville. Le meeting du CRN n'a pas eu lieu, et aucune incidence n'a été signalée.




Amoron'Imania * Fandriana
Mbola mitoetra ny herin'i Rainitanjaka
"Tsy azo anaovan-dratsy, tsy azo itondrana ody gasy ny tanàna voafaritra, izay minia mandika dia tra-doza...."
Tompomenakely tamin'ny faha-mpanjaka tamin'ny taonjato faha XVIII tao amin'ny fanjakan'I Fisakana I Rainitanjaka, teo an-tampon'ny vohitr'Alasora (Fandriana izy no nonina tamin'izany fotoana izany, ary io no lasa "residence" ankehitriny. Fatra-pahay mandray vahiny ny foko betsileo, fantatra ihany koa fa tsotra ary ny fahitan'ireo mpihavy izany no nanararaotan'izy ireo sy nisian'ny fanambakana samihafa. Vinitra sy nangoraka noho izany fanararaotana izany Rainitanjaka ka nanao "tsitsika" na koa "ozona". Naka vatotr'omby iray tao am-balany izy ka nodidiany ny kibony ka nikiraviravy efa ho 40m ny tsinainy, nokapahiny ihany koa ny lohany ka lasa nivadika tany aoriana, rehefa vita izany dia nalefa andeha ilay omby ka niodidina ny vohitr'Alasora, voafaritra tamin'ilay ran'ny tsinain'ilay omby izany. Rehefa vita izany dia nilaza izy fa "n'iza n'iza manao ratsy tao Fisakana, indrindra fa tao anatin'ilay faritra, dia ahita loza. Hatreto dia efa maro no ninia nandika ny tsitsika ka tra-doza avy hatrany. Anisan'ny nahasarotiny an'I Rainitanjaka ny kininina lehibe iray naniry teo atsimo trano ka tsy azo zimbazimbaina mandrak'ankehitriny.Nisy ny azo tantaraina toan'ny nahazo an'I Chanel, teratany vahiny nitondra tao Fisakana tamin'ny fanjanahan-tany. Raha nahafantatra ny tantaran'I Rainitanjaka sy ilay kininina tsy azo rantsanina na koa kapaina, tsy azo tsiponina ihany koa ny ravina latsaka i Chanel dia ninia nandika izany ka andeha hikapa ilay hazo tamin'ny milina goavana. Nitokona tsy nety nandeha ilay masinina rehefa teo ambody hazo noentina niverina saika hamboarina ilay milina kinanjo nandeha tampoka ka raha iny niondrika nanamboatra azy iny i Chanel dia voakapa ny lohany ary voadidy ny kibony, moa tsy ilay omby tamin'ny fotoan'androny..
Vao tsy ela fa vao haingakaingana ihany dia nisy olona saiky nikasa hamaky ny "residence", tsy nahazon'inona n'inona ilay olona fa nikiropaka irery tao ka nianjera mafy ka tataky ny vy nitsena azy tao ny kibony ary voadona mafy ihany koa ny tendany. Hatramin'izao dia mbola velona any io olona io ary mitondra takaitra.
Angamba mety hisy hilaza hoe fifandrifian-javatra izany rehetra izany nefa azo lazaina ankehitriny fa lasa fanateran-tsaotra ny kininin-dRainitanjaka ary misy ireo milaza fa nahazo izay niriany. Toaka, tantely ati-kena, vatomamy no aterin'olona eo ary avy eo izy manao fangatahana. Tsy azo hivavahana ny kininin-dRainitanjaka, tsy azo tompohina ihany koa fa atao fangatahana fotsiny ihany. Lasa fanateran-tsaotra izany ankehitriny. Maro ny olona avy ao an-toerana na avy amin'ny faritra hafa no mangata-tsaotra eo amin'ny kininin-dRainitanjaka...
Fantatra ihany koa fa ireo manam-pahefana nifandimby teo Fandriana ka nipetraka tao amin'ny residence dia efa nisehoan'i Rainitanjaka avokoa...




Tsy nitsanga-menatra
Raraka avokoa ny atleta gasy nilalao tany Beijign. Midikaio, fa mangoron'entana, ary aty antanindrazana indray mijery ny lalao tohiny any amin'io firenena io. Tsy nampitsanga-menatra ny nahita ny ezaka nataon'ireto mpilalao ireto. Samy nisento tokana ihany koa ny Malagasy maro nahita ny anaran'ny Madagasikara, sy ny sainam-pirenena Malagasy, teo ampiangana nandritra ny hazakazaka 100 metatra misy fefy nataon'i Berliozy.
Midika io fa misentyo ho an'ny tanindrazana ny saina sy ny fo rehetra. Lalana iray ahafantaran'izao tontolo izao ny firenentsika ny toy ireny. Mila dingana goavana noho izany ny lafin'ny fanatanjahan-tena rehetra, raha te-hisongadina eo anatrehan'izao tontolo izao. Fanohanana goavana amin'ny lafiny ara-bola sy fitaovana ary moraly no tsy ampy amintsika. Toy izany koa ny eo amin'ny lafiny kolontsaina. Sehatra iray tsy azo ambaniana io, satria ireo no maha-firenena ny firenena. Ao anatin'izao lalao atao any Beijign izao, dia lesona maro no azo tsoahina. Ny fandraisan'ny firenena isn'isany ho raharaham-pirenena ity fanatanjahan-tena ity. Toy ny nataon-tsika nandritra ny lalaon'ny nosy farany teo, ka nahazoan-tsika ny laharana voalohany teo amin'ny Medaly volamena.
Mihevitra ny maro, fa tokony hisy marim-pankasitrahana omena ireto atletantsika ireto izay nihazo an'i China, na dia resy aza isika. Ny antony, dia tsapa fa ireo efa kalaza lahy sy vavy maneran-tany o nikatroka tamin'iozy ireo, nefa tsy nampitsanga-menatra hoy ny mpitazana no vita. Ho famporisihana amin'ny manaraka ihany koa e.




Tanora sy ny raharaham-pirenena
Mitady ny FFKM sy ny olon-kendry
Mila averina ny hasin'ny fianankaviana sy ny firenena. Fanehoan-kevitra entin'ny vondron'ny tanora mpandala ny raharaham-pirenena io, izay ingahy Razafimandimby Jean Batiste no filoha mitarika izany.
Tao anatin'ny fanadihadiana ny trangan-javatra misy eto Madagasikara no nahatonga azy ireo haneho hevitra.
Tsapa eto amintsika fa manjaka ny herisetra, ary mihanaka ny zava-mahadomelina. Toy izany koa ny varo-toaka sy ny fivarotantena. Miady amin'ny fahantrana isika, nefa ny fngalarana sy ny vono olona no heverin'ny sasany fa hitadiavan-karena. Io dia miteraka ny fahasimban'ny fiaraha-monina eny anivon'ny vahoaka, satria tsy mifam-patoky intsony ny rehetra. Simba ny fiaraha-monina tany aloha, izay nanjakan'ny fihavanana, fifananjana, fifanampiana, ary fifandeferana. Toa lany andro ilay kolontsaina Malagasy, satria herisetra andro aman'alina no heno.
Mihazakazaka isika amin'ny filazana fa fampandrosoana haingana sy maharitra. Ny tsapa anefa hoy ity fikambanana iray ity, dia ny zava-boitan'ireo tany matanjaka tao anatin'ny 100 na 200 taona no heverintsika ho vitaina ao anatin'ny 5 taona. Ny maika izao, dia fampandrosoana mirindra, handamina ny fianam-bahoaka, toy izay fampandrosoana haingana, ka mety hanimba nyfiharian'ny madinika.
Tsy haraky ny eo ampelan-tanana intsony, ny fiakatry ny vidim-piainana, ka tsy ho gaga isika raha maro no mivarotra amoron-dalana, sitrany ahay mba vaza mihetsika. Midagana toy izany ny hofan-trano sy ny Jirama. Ilainany hisian'ny fifampihainoana eto amin'ny firenena hoy ireto tanora ireto, mba mora ahitana ny marimaritra iraisana haingana. Tokony haneho ny heviny ny FFKM sy ireo olon-kendry rehetra, fa tsy sanatria hangina eo anatrehan'ity fitsokan'ny rivotra manamaloka ny fianam-bahoaka ity.




Potika ny maha-Malagasy
Ny loza faran'izay ratsy rehetra no indro fa mipoitra tsikelikely eto Madagasikara. Raisina amin'io ny loza mahatsiravina nataon'ilay Polisy ny zana-badiny ny faran'ny herinandro teo. Ny zana-badiny izay vao 6 taona monja no naolany sy novonoiny ho faty, ary nariany teny amin'ny fasam-poana etsy Anjanahary. Rà latsaka, tsy maintsy misy todiny. Tratra rangahy, ary tsy maintsy handray ny vokatry ny nataony ity nahavanon-doza ity.
Raha tsiahiviny fohy ny tantara, dia ny sabotsy teo no hita teny Anjanahary teo ambony fasam-poana ilay zaza efa maty, sady nifatotra. Tsikaritry ny olana anefa ity Polisy izay raikelin'ny maty ity nilanja sakaosy ary ny ampitson'ny nahitana ny razana. Nipetraka taminy ahiahy, ary rehefa natao ny famotorana rehetra, dia hita ny porofo, tao amin'ny trano iray izay nofain'ity Polisy ity tamin'ny anabaviny ihany. Nandà hatramin'ny farany ingahy io, nefa tsy navelan'ny rariny tsy hipoitra ny marina rehetra.
Potika ny maha-Malagasy, ary very ny fahendren'ny razana taloha. Na ny ray niteraka aza, dia hita ho naha-bevohoka ny zanany naterany. Ny halatra taolam-paty izay tsy fahita hatramin'izay toa mahazo vahana eto amintsika. Ny menaky ny aina dia misy sahy manary any anaty lava-piringa na any amin'ny fanariam-pako.
Tsy tokony ahilika any amin'ny fahantrana angamba ny habibiana ataon'ny sasany. Maharikoriko ny famonoan'olona ataon'ny sasany eto. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ka ny mpitandro ny filaminana sasany indray no manao ny ataony. Inona no fepetra raisina haingana hisoroana ny tahaka izao ? Ny fanabeazana ve no tsy ampy sa ny toe-tsain'ny olona mihitsy no efa potika ? Andraikitra lehibe hiantsorohan'ny tsirairay ny mifehy ny habibiana tsy hianaka eny anivon'ny fiaraha-monina, fa raha tsy izay no voafehy, dia ho loza mahatsiravina mihoatra noho izao no hiseho atsy ho atsy.




Grevin'ny mpiasan'ny JIRAMA
Mitombo miandalana ny fitakiana
Manomboka anio no voalaza fa hitokonan'ny mpiasan'ny Jirama manerana ny nosy indray. Fitakiana izay niainga teo amin'ny lafiny sosialy, nefa tsy nahitana vaha-olana. Nisy ny dinika niarahan'ny mpampiasa sy ny mpiasa, saingy io nametraka 48 ora io indray ny sendikan'ny mpiasa hanaovana ny fitokonana. Mahatratra 35 no isan'ireo fitakian'izy ireo. Isan'io ny hamerenana amin'ny laoniny ny karaman'ny mpiasa izay notapahan'ny mpampiasa nandritra ny grevy farany teo. Ny tsy hamindrana toerana ireo mpiasa efa amperin'asa. Ny hampiharana ny zo sendikaly, sy ny fampiakarana ny tambin-karama ho an'ny mpiasa. Ampahan'ny fitakiana ireo.
Ny mpampiasa kosa etsy ankilany, dia mametraka ny fitsipika anatiny mifehy ny orinasa. Na dia efa nisy aza ilay sava-ranonando natao, dia io fanapahana karama ho an'ireo nitokona no hita. Mihenjan-dro ny tady hatreto, ary tsy mbola hita ny marimaritra iraisana. Mandia fotoan-tsarotra noho izany ny mpanjifa, satria izy ireo no zary manao ny asan'ny Jirama. Sady maka ny taratasin-jiro sy rano lany, no mandeha mandoa ny vola any amin'ny JIRAMA. Ny faktioran'ny jiro sy rano amin'io, dia hita niakatra hatrany amin'ny 20%. Nisy tamin'ireo mpiasa ihany koa no nangataka ny hanaovana ny grevy amin'ny zoma, saingy ny anio ihany aloha no masaka tamin'ireto mpiasa ireto.




Tafiditra lalina...
Tafiditra lalina amin'ny tontolo politika ny fiangonana FJKM amin'izao fotoana izao. Faritana amin'ny hoe « fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny fiangonana », saingy toa ny olon'ny politika avokoa no avy aty amin'ny fanjakana, ary ireo birao sasany dia efa ela nihetezana rahateo, amin'ny fahaiza-miaraka amin'ny politikam-panjakana ;
Tsara ny fitazana ny fiaraha-miasa nandritra iny 4 taona lasa iny. Nihazakazaka ny fifanampiana ka saika nanana endrika vaovao ny ankamaroan'ny fiangonana FJKM. Nisy tarigetra hafa tampoka nanova tsikelikely ny rafitra ka zary tongan'ny didy jadona hatrany amin'ny sampana ao am-piangonana. Izay hetsika ataon'ny sampana dia saika voasakan'ny any ambonimbony, moa va tsy sahala amin'ny rafitra politika ihany ? Dia tafalatsaka lalina indray izy ity. Efa mahalala ny vokany ireo lohandohan'ny mpisorona. Firifiry ireo mpivavaka avy amin'ny FJKM no manatevina ireny antsoina hoe "sekta" ireny. Maro ihany koa no niova fiangonana na nanangana antokom-pivavahana mihitsy mba hialàna amin'ny resaka politika. Na izany aza aloha dia manana ny ho aviny eo amin'ny fandrosoana ara-tsosialy ny FJKM fa ny eo amin'ny aram-panahy ity no mila ho lavon'izay fandrosoana sy fidiram-bola izay. Enga anie ka tsy nho fanomanana fifidianana sahady izao ka ho sorona ny tanora ao anatin'ny fiangonana.




Hetra amin'ny fadin-tseranana
Miditra an-tsehatra ny Amerikana
Manampy ny mpiasan'ny fadin-tseranana hahafehy ireo fitsipiky ny fampidiran-ketra ao amin'ny fadin-tseranana ny Amerikana. Amin'ny maha mpikambana an'i Madagasikara ao anivon'ny SADC, vondrona fampandrosoana ny faritra atsimon'i Afrika, dia hampiofanan'ny governemanta amerikana, amin'ny alalan'ny USAID ireo mpiasan'ny fadin-tseranana 30 mianadahy. Hofanina momba ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena izy ireo, mandritra ny 3 andro, izay hifarana anio. Samy manana ny lalàna apetrany amin'ireo firenena mampiditra entana ao aminy ireo firenen-dehibe mpanafatra amin'ny SADC. Hiadian-kevitra mandritra io fampiofanana io ny antsipirian'ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toe-karena amin'ny vondrona eropeanina, ny amin'ny samy mpikambana ao amin'ny vondrona sy ny firenen-kafa. Azo sokajiana ho toy ny « teny baiko » tsy maintsy fehezin'ny mpanondrana entana sy ny mpiasan'ny fadin-tseranana ireo fitsipika teknika mihatra amin'ny entana miditra ireo.
Tsy mampihontsona ny kitapom-bolam-panjakana
Araka ny fifanarahan'i Madagasikara amin'ireny firenena mampiditra entana ireny no mampihena na manafoana ny haban-tseranana. Ao anatin'ny COMESA, COI ary ny SADC no hampiharana izany. Tsy hampihena velively ny vola ampidirin'io sampan-draharaha io ny fanamorana ny haba, noho ny maha mpikambana an'i Madagasikara ao amin'ny SADC. Ezaka manokana ataon'ny fadin-tseranana, amin'izao fotoana izao, ny hifehy tanteraka ny entana miditra sy mivoaka. Amin'izao taona voalohany izao, dia tsy ho betsaka ny fihenan'ny vola miditra amin'ny fanjakana, satria 10%n'ny entana afarantsika no ampidirin'ireo firenena mpikambana ao aminy.




Vaky trano teny Ivato
Ny olon-tiany ihany no nahavanon-doza !
Ny nantenain-kanirina indray no nampivandravandra ! Mety hamadika ihany koa ny olon-tiana ! Tovolahy iray monina ao Ivato no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny halatra nataony tao an-tranon'ny sakaizany, ny alatsinainy hariva lasa teo. Nobatainy tamin'izany ny vata fahitalavitra sy ny « lecteur VCD » tao amin'ity trano ity.
Raha ny vaovao voaray, dia tonga tao amin'io sakaizany io ilay tovolahy ny atoandron'ny alatsinainy. Samy monina eny Ivato mantsy izy roa ireo. Fombany ny mangatangataka amin'io olon-tiany io. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, dia tsy nahafa-po azy ny navalin'ilay tovovavy ka namoronany hevi-dratsy. Nasain'io tovovavy io nody mantsy ny tenany, satria handeha hiasa izy. Efa nohidina avokoa ny varavarana rehetra tao an-trano tamin'izany. Raha iny mbola variana nikenonkenona tany amin'ny efitra hafa anefa ratovovavy, dia nararaotin'ity olon-tiany novahana ny hidim-baravaran-kely. Mody niara-nivoaka tamin'ity sakaizany ity ilay tovolahy, saingy nanao tampody fohy, ka teo amin'io varavaran-kely io izy no niditra naka ireo entana voalaza ireo. Fantatr'ilay tovovavy avy hatrany anefa nony tafaverina ny tenany fa ity lehilahy sakaizany ity no nangalatra ireo entana, ka tsy niandry ela, dia nosamborina tany an-tranony izy, ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Efa tsy misy azo atokisana intsony mihitsy ny olona ankehitriny, satria na ny olon-tiana aza, sahy mivadika tsotra izao. Ny fahamailoana amin'ny zava-drehetra no hany afaka hisoroka ny loza.




Conseil d'Etat
Reprise d'audience le 28 août prochain
Le Conseil d'Etat annonce 14 requêtes à examiner le 28 août prochain. Comme d'habitude, c'est toujours une audience opposant les candidats TIM aux non-TIM, sauf dans la commune rurale Ankarobato, district Antananarivo Antsimondrano, région Analamanga, où un indépendant, Simon Joseph, s'oppose à un autre indépendant, Ralaiseheno Guy Maxime.
Il est aussi de coutume de voir un candidat indépendant qui se plaint d'être victime d'une fraude électorale, et attaque le candidat TIM. Mais le 28 août prochain, il y aura un candidat maire TIM dans la commune rurale Bemarivo, district Belo sur Tsiribihina, région Menabe, qui attaque un candidat élu maire, sous l'étiquette d'indépendant.
Ce constat est aussi valable pour le cas de la commune rurale Ankililaoka, district Ampanihy, région Sud-Ouest, mais cette fois-ci, c'est au niveau des conseillers. Mais le plus remarquable est le procès opposant des membres du parti Grad'Ifoafo, à des conseillers élus TIM, dans la commune rurale Behara, district Amboasary Sud, région Anösy.
Un fait mérite aussi d'être soulevé durant cette audience du 28 août. Il y a deux façons de faire un pourvoi en cassation des décisions des tribunaux administratifs, concernant l'élection municipale du 13 décembre 2007. Soit on pose la requête devant le tribunal administratif, soit on pose le dossier directement devant le conseil d'Etat. Mais pour être sûr de l'aboutissement de leur dossier, certain demandeur en cassation porte leur dossier directement devant le conseil d'Etat, tout en déposant une requête devant le tribunal administratif. Il arrive que les deux dossiers arrivent tous devant le conseil d'Etat. Créant ainsi un dossier double, pour une même affaire.
C'est le cas par exemple du pourvoi en cassation, formé par l'indépendant Retsiory, sur l'élection municipale du 13 décembre 2007 dans la Commune rurale d'Ivahova, district Betroka, région Anösy. Selon les explications obtenues au niveau du conseil d'Etat, le demandeur a déposé deux dossiers en même temps. L'un devant le tribunal administratif, l'autre devant le conseil d'Etat. Et les deux dossiers sont parvenus entre les mains des membres du conseil d'Etat, créant ainsi deux dossiers pour une même affaire.
* Liste des communes concernées par la prochaine audience du Conseil d'Etat :
Commune rurale Ivahoka district Betroka, région Anösy
Commue rurale Gogogogo, district Ampanihy, région Sud Ouest
Commune rurale Bamarivo, district Belo sur Tiribihiny, région Menabe
Commune rurale Ambohidrapeto, district Antsimondrano, région Analamanga
Commune rurale Mahareza, district Ambohidratrimo, région Analamanga
Commune rurale Ankaraobato, district Antsimondrano, région Analamanga
Commune rurale Tsarasaotra Andona, district Anjozorobe, région Anosy
Commune rurale Antanimasaka, district Ambatolampy, région Vakinankaratra
Commune rurale Ambohijanaka, district Ambohidratrimo, région Analamanga
Commune rurale Ankililaoka, district Ampanihy, région SUD Ouest
Commune rurale Ambohibary, district Moramanga, région Alaotra-Mangoro
Commune rurale Antanimasaka, district Marovoay, région Boeny
Commune rurale Bahara, district Amboasary Sud, région Anösy




Lettre des lecteurs
Une voie sans issue pour le Régime
Quel malheur arrive actuellement à Monsieur le Président de la République ? On le voit s'agiter tout seul alors que tous ses proches collaborateurs semblent se trouver dans un état statique, complètement bloqué et visiblement à court d'idée.
Voilà qu'on a décidé en Conseil de Ministres l'adoption d'une nouvelle Stratégie de Développement pour Sept Régions Pilotes et non les moindres, mais plutôt les Régions considérées comme les pôles économiques de Madagascar si on se réfère à cette liste englobant les Régions de Vakinankaratra, Boeny, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analamanga, Itasy et Bongolava.
Il serait facile cette fois ci de se tromper de jugement car on parle de Région Pilote alors que ces sept Régions se trouvent actuellement dans le dernier peloton de la course vers le titre de Région dynamique, prospère et efficace. On peut donner à ces sept Chefs de Région la pleine latitude qu'on veut, mais aucun bon résultat ne pourrait être espéré car ce n'est pas vraiment au niveau de leur équipe respective qu'on a une défaillance flagrante. Il faut plutôt revoir les critères de choix du Capitaine d'équipe, le Chef de Région, où un grand problème de leadership, un manque de créativité et une absence totale de vision de développement se font sentir.
En effet, au lieu de maintenir à la tête de ces Régions les bons techniciens bien rôdés avec des efficacités reconnues par la population, et aussi par les bailleurs de fonds, le régime a actuellement orienté le choix des Chefs de Région vers des Magistrats..., des Administrateurs Civils ... ainsi que des Militaires (...)
L'histoire ne fait que justifier cette affirmation car aucune Préfecture ni sous-préfecture dirigée jadis par un Administrateur Civil ou un Militaire, n'a jamais connu un développement palpable, encore moins pérenne, au temps des précédents régimes. Et voilà que celui de Ravalomanana poursuit exactement le même itinéraire ; ou bien, est-ce la bonne méthode et la solution idoine pour le régime actuel, en plaçant tel type de personne ressource à la tête des Régions, pour la préparation du troisième mandat ?
En prenant cas par cas ces sept régions pilotes, on sent que le régime actuel s'achemine vers une voie sans issue. Comment expliquer cette première réunion du Président de la République avec la Région de Boeny pour donner une orientation sur cette nouvelle Stratégie de Développement et ne parler que d'une simple mesure d'accompagnement relative à cette technique de lutte contre l'érosion et d'amélioration de la structure du sol, sans résultat palpable qu'après trois ans de mise en place. L'urgence est de mise. Et cette Région Analamanga classée Hors Catégorie mais retombée dans l'anonymat, lance actuellement un concours de logo et slogan car la barre de l'ancien slogan "Analamanga, pôle de développement'' s'avère trop haute, donc hors de portée de l'équipe régionale.
La Région Atsinanana a un Chef de Région fictif car celui qui dirige la capitale économique de Madagascar n'est autre que le Président de la République assisté d'un coach Ministre de Transport. Le Chef de Région de Bongolava est souvent vu, plus à Antananarivo qu'à Tsiroanomandidy, encore moins à Fenoarivobe. Cette Région d'ltasy qui a plus de potentialités que de contraintes mais se trouve ces derniers temps dans un mutisme total après cette série d'élections, car le Chef de Région est complètement à court d'idée. Et pour parler de cette pertinente information que le régime actuel ignore complètement. N'est ce pas au temps d'un Premier Ministre Tsimiamboholahy que le régime du Professeur Zafy Albert a été empêché ? L'actuel Premier Ministre est aussi un Tsimiamboholahy Zanakandrianato : quel serait alors le sort du régime du Professeur Ravalomanana Marc ? L'avenir nous dira la suite mais en attendant la meilleure réponse n'est autre que cette voie sans issue".
A. R. Itaosy




Mbola mandry tsy lavo loha
Mitaky paik'ady iraisana ny tontolon'ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Tato anatin'ny taona vitsy nifanesy dia tena nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Ny halatra omby moa dia efa samy manana ny paik'ady ny isam-paritra. Ao ny nanao ny valabe, iandrasana ny omby tsy ho lasan'ny dahalo. Ao ny vata maintin'ny fandriampahalemana toy ny ao amin'ny faritra Bongolava. Santionany ireo, izay samy mba nahitam-bokany avokoa. Ny olana eto dia ny sakatsakana mahazo ireny hetsika manokana ireny. Tsy maharitra ela fa ravarava ho azy eny. Valabe mantsy no nokasain'ny faritra Bongolava natao voalohany, saingy nidiran'ny adilahy politika ka nampiharihary ny fanohanan'ny mpitondra sasany teo aloha ny maha dahalo azy. Volana maromaro koa no niasan'ny vata maintin'ny fandriampahalemana izay amperin'asa amin'izao fotoana izao. Misy mikitikitika indray izy io satria nahitam-bokany tsy nampoizina. Inoana fa tsikaritry ny mpitondra fanjakana izany ka izao anaovan'ny Praiminisitra fitsidiham-paritany izao.
Fandriampahalemana ranoray no voizina ka anomezana ny toromarika iraisana hiadiana amin'ny asan-dahalo. Atrik'asa no ataony any Toamasina, hatramin'ny omaly tontolo andro. Tokana ny vokatra andrasana, dia ny hahafoana ny asan-dahalo. Atsipy ihany ny hevitra mba tsy ho teny zato kabary arivo fotsiny, fa raha mbola ao anatin'ny tambazotran'ny dahalo ny ampahan'ny olona ambony eto amin'ny firenena dia herim-po very maina ny fitetezana faritra. Tokony ho jeren'ny governemanta akaiky ihany koa ny fitazonana ireny zatovo voaantso ho miaramila ireny. Ny famokarana no tokony ampianarina azy ireny ka ajanona mihitsy ny fianarana mitifitra amin'ny basy, amin'izay dia mba angady no holalaoviny rehefa mahavita ny fanompoam-pirenena izy, fa tsy hilalao ny basin'ireo dahalo ambony latabatra ka hifamono samy malagasy eto.




« Mifohaza ry Gasy »
Fangatahana famindram-po faobe
Mitohy ny fitarihan'i Maître Avoko ny mpiray tanindrazana hiara-hiombom-bavaka hanavotan'Andriamanitra an'i Madagasikara ! Mbola ny zoma alina araky ny torohevitra napetrany tany am-piandohana ihany no hanatanterahana ity hetsika « Mifohaza ry Gasy » ity, ary voalazany fa efa misy mifoha mihitsy taorian'iny fanombohana tamin'ny herin'ny androany iny.
Ny fangatahana famindram-po faobe avy amin'Andriamanitra, hoy izy, no hanompanana ny vavaka anio alina raha ny fangatahana ny fidinany teto amintsika no nanombohana azy tamin'ny zoma voalohany ka ny Salamo 71 andininy faha-5 no andàlan-tsoratra masina iangaviany ho vakiana intelo izao alina izao raha vao mipaika ny amin'ny 8ora, arahin'ny tonombavaka hoe : « Andrimanitra ô ! Mamela ny helok'i Madagasikara. Mamindra fo amin'ny Malagasy », averina intelo na aiza na aiza toerana misy ny tsirairay. Mbola nohamafisin'i Maître Avoko fa olana tsy voavahan'olombelona intsony no mianjady amin'ny firenena ka ilana avotra avy amin'Andriamanitra.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay, fa ny reny malalanay :
dia nodimandry ny Talata 19 Aogositra 2008 rehefa nivahiny 88 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny zanany :
RAVELOJAONA Marcellin sy Aline
RAKOTOMANGA Emmauel sy Bodosolomalala
Veuve Dr RABEFIRAISANA Voahangisoalalaina (Vannes - France)
POIRET Jean-François sy Sahondra (Rénazé - France)
RAVELOJAONA Tafika (Reux - France)
Dr RAVELOJAONA Dira sy Fara (Vannes - France)
RAVELOJAONA Fidy sy Micheline (Villars - France)
RAVELOJAONA Benjamin sy Voahangy (Bordeaux - France )
ANDRIAMANANDRAIBE Auguste sy Dr. Emmanoeline
Ny taizany :
RAZAFINDRAINIBE Albert sy Arlette ary ny zanaka aman-jafiny
Ny Contrôleur Général de la Police RABETATIKA Fulgence sy Noro ary ny zanaka aman-jafiny
Ny zafiny :
Haja sy Claire, Saholy, Ranoa sy Rondro, Andry sy Landy, Naina sy Mireille, Naina sy Mirantsoa, Thomas sy Tahiana, Haingotiana, Mihary, Harindranto, Nantenaina, Maheritiana, Nandrianina sy Domoina, Hery-Balsama, Narindra sy Hiantsa, Mandranto sy Lalaina, Michaël sy Niavo, Hary-Mino, Andry sy Iaviantsoa, Philipe sy Malala, Andry, MIaly, Hery, Faly.
Ny zafiafiny :
Timothe, Yoraine, Malö, Randy, Miangaly, Aina, Mpitia, Aina, Loïc
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itpkl RAVELOJAONA Jules sy Itpkv RAVAOSOLO
Terak'Itpkl RANDRIANASOLO Céléstin sy Itpkv RAVELOMANANA Jeanna
Terak'Itpkv RAZAFIMBAHOAKA Marthe.
Ny taranaka ANDRIANKORINTSAMBOLAMENA, ny Fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora
Ny Sampana Dorkasy - FJKM Dorkasy Tranovato Anjanahary Maritiora
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Morarano
Ny Fokontany Anjanahary II.O
Ny nofiny dia hiala ao an-tranony Lot II O Bis Anjanahary ny Asabotsy 23 Aogositra amin'n'y 01 ora sy sasany tolakandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra ao an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora mialoha ny hametrahana azy ao amin'n'y fasam-pianakaviany ao amin'ny Cimetière Anjanahary .
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho, Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay homen'ny Tompo ».
(II Timoty 44:7,8)




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo, fa ny malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny Alarobia 20 Aogositra 2008,
Hoy,
Ny vadiny :
RANDRIAMANGAMALALA Odin Jaofiraisana
Ny zanany :
Me RALAISON Dieudonné Jonson
RANDRIAMANGAMALALA Herinina Jonson
RANDRIAMAHAVONJY Modeste sy Vero
RARIVOSON Lova sy Nivo
RANDRIAMANGAMALALA Narifiraisana Jonsonn
RANDRIAMANGAMALALA Noro Hasiniaina
Ny zafiny :
Mirado, Kiady, Rindra, Irintsoa
Ny ray aman-dreniny :
RANDRIAMANGAMALALA Pierre mivady
Ny iray tampo aminy :
RAJONSON Max mivady sy ny zanany
RAJONSON Jules mivady sy ny zanaka aman- jafiny
Dr RAJONSON Rolland mivady sy ny zanany
Me RAZAFINDRALAMBO Alain mivady sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
RAVELOJAONA Jean Mamy sy ny zanany
RANDRIAMANGAMALALA Prosper mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RANDRIANASOLO Jean Jules mivady sy ny zanany
RANDRIAMANGAMALALA Parfait mivady sy ny zanany
RANDRIAMANGAMALALA Mbolanirina sy ny zanany
RANDRIAMANGAMALALA Mbinintsoa mivady sy ny zanany
Terak'i Itpklahy RAJONSON Barthélemy sy Itpkvavy RANORO
Terak'l Itpklahy RAKOTONIMANANA sy Itpkvavy RAFARASOA Régine
Teraki Itpklahy RABEFIRAISANA sy Itpkvavy RAZAFINDRAMIARANA
Terak'ltpklahy RANAIVOJAONA Félix sy Itpkvavy RAMANANIVOSOA Théophile
Ny Mpiara-miasa aminy ao amin'ny Ministeran'ny Varotra,
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambavahadimitafo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM RASALAMA Maritiora Manarintsoa Namehana
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Amboara Ambohimanga
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Isahafa Fanavaozana
Ny Fokontany Ampefiloha Cité _Ny Fokotany Avarakady Ambatomasina Ambohimanga Rova
Ny nofiny dia hiala ao amin'ny tranony PK 20 Ambatomasina Ambohimanga Rova, Villa Vohitsoa nyAsabotsy 23 Aogositra 2008 amm'ny 12 ora sy sasany ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Ambavahadimitafo alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambatolava Ambohimanga Rova.
« Misaotra an'i Jehovah lalandava aho : ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy ».
(Sal 34 : 1)




Kardinaly Razafindratandra
Manasitrana amin'ny tànana
« Tsy izaho no manasitrana fa Andriamanitra », hoy ny Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra, raha namaly ny fanotaniana momba ny fanasitranana vitany amin'ny alàlan'ny fametrahan-tanana izy. Manome fanazavana momba izany izy, ary koa mitantara ny 30 taona maha eveka azy.
* Madagascar Tribune : Afaka mba omenao fanazavana ve ny momba ny fanasitranana vitanao amin'ny alàlan'ny fametrahan-tanana ?
Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra : « Tsy ny olona no manasitrana fa Andriamanitra irery ihany. Toa izany rehefa mangataka fahasoavana amin'i Victoire Rasoamanarivo isika. Ao ny mahazo valim-bavaka, ao kosa ireo mbola mila miandry araka ny fandaminan'Andriamanitra. Raha ho ahy manokana dia tsy manasitrana aho, fa manome toro hevitra fotsiny ihany. Tsy manao fahagagana aho fa mahalala ny zava-boahary, dia manoro hevitra ireo olona araka izay mba kely fantatro. Manana « don » koa anefa aho, nolovaiko tamin'ireo raiamandreniko, amin'ny fanasitranana ny hozatra sy ny nofo. Misy karazana angovo avy amin'ny tanana afaka manasitrana amin'ny alàlan'ny fametrahan-tanana. Izay ihany no kely mba mety ho vitako ».
* Raha fintinina kosa ny niainanao amin'ny maha Eveka anao dia inona no azo ambara ?
« 30 taona izao no naha Eveka ahy. Ny 2 jolay 1978 aho no nohamasinina ho eveka. Efa 24 taona niainana ny maha pretra ahy aho tamin'izay. Izany hoe 54 taona izao no naha pretra ahy. Tao anatin'izany dia 17 taona no nitantanako ny diôsezin'i Mahajanga. 11 taona no nitantanako ny arsidiosezin'Antananarivo, ary 2 taona aho izao no nisotro rorono. 17 taona aho no nitantana ny diozezin'i Mahajanga. Midadasika be io diôsezy io. Manoboka eo Andriba ka hatrany Mandritsara, Ampatana. Raha miala eto Antananarivo ianao ka makany Mahajanga dia ny ankavanana tendrombohitra, ny ankavia renirano. Tsy misy afa tsy iny làlampirenena iny ihany no azo aleha. Dia an-tongotra no atao raha hitsidika toeran-kafa. Nahavita 400 km isam-bolana ao tamin'ny dia an-tongotra. Sarotra ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra tamin'iny faritra iny. Satria tsy mahay mamaky teny ny olona dia tsy azo atao ny mamaky boky rehefa manao lamesa sy mitory teny fa manao tsianjery. Misy koa ireo izay nilaza fa fady mivavaka. Dia voatery nandresy lahatra azy ireo. Ny olana dia tena vitsy ihany koa ny fiangonana. Isaky ny 30 km ka hatramin'ny 50 km vao mahita fiangonana, ka zara raha misy olona 35 mivavaka, ary amin'izy ireo dia zara raha misy 5 mpandray kominio ».
* Nanao ahoana kosa ny niainanao ny fiverenana teto Antananarivo ?
« 17 taona aty aoriana, efa niova be Antananarivo. Mila niverina nizatra sy nanavao indray ny tena. Nisahana ny arsidiôsezy. Izany hoe ireo diôsezy manodidina toa an'Antsirabe, Ambatondrazaka, Miarinarivo, Tsiroanomandidy. Misolo toerana ireo eveka rehefa tsy eo izy ireo, na maty. Avy eo dia notendren'i Papa ho mpanolon-tsaina azy. Antsoina any Roma rehefa misy ilana izany. Nisy fotoana in'enina aho tao anatin'ny taona no nakany Roma namaly ny fiantson'i Papa. Tafiditra tao anatin'ilay antsoina hoe "Congrégation", izay sahala amin'ny karazana minisitera. Misahana ny fampihelezana ny finoana. Ekena fa tany mandroso amin'ny finoana i Madagasikara, fa mbola maro ireo tsy kristianina ».
* Manao ahoana ny fisotroan-dronono any Besalampy ?
« Tsy mahazo fisotroan-dronono moa raha tsy 75 taona, ary tsy maintsy mangataka izany. Tamin'ny faha 75 taonako anefa dia, efa tonga daholo hanao veloma ahy ny olona, kinanjo dia tonga ny taratasy avy tany Roma nilaza fa voaray ny fangatahako hisotro ronono,saingy mbola nasaina nijanona kely aho. Izay kely izay moa dia naharitra 5 taona. Izany hoe 80 taona aho vao lasa nisotro ronono. Matetika rehefa anontanian'ny olona aho dia mamaly boraingina hoe be ronono any Besalampy ka izany no antony nisafidianako ny ho any. Saingy ny tena marina dia tombom-pitiavako manokana iny toerana iny. Somary voahidy iny toerana iny. Toerana fanasazina fonctionnaire taloha iny toerana iny. Vitsy ny kristiana any, iray amin'ny olona zato. I Baba no hiantsoan'ny olona ahy any. Dia miseho ho baban'ny olona rehetra mba hampafantatra ilay Baba Andriamanitra. Manana sekoly izahay any. 100% ny voka-panadinana CEPE tany aminay tamin'ny farany teo ».
============================
Vakivakim-piainan'i Kardinaly
Ankalazaina rahampitso ao amin'ny kôlejy Masina Misely- Amparibe ny faha 30 taona naha- eveka ny Kardinaly Razafindratandra Armand. Indro misy sombim- piainana mba ahafantarana momba ity ray am- panahy miavaka indrindra ity.
Teraka ny 7 aogositra 1925 tao Manjakandriana. Zanak'i Paul Razafindratandra sy I Josephine Rasoanoro. Nianatra tao Faravohitra nanomboka ny taona 1938. Avy eo dia nifindra tany Andohalo. Nianatra teny amin'ny seminera zandriny teny Ambohipo nandritra ny taona 1938 ka hatramin'ny taona 1942. Avy eo dia nandalo tao Amparibe ny 1942 ka hatramin'ny 1945. Rehefa vita izay dia nandalo tao Ambatoroka nandalina momba ny filôzôfia ny taona 1945 nandritra ny roa taona. Avy eo dia nandalo telo taona tao amin'ny Kôlejy Masina Misely- Amparibe, nanabe sy nampianatra. Nandalina momba ny teolojia tao Ambatoroka ny taona 1950 ka hatramin'ny taona 1954.
Sodiakra
Tonga Sodiakra ny 15 desambra 1953, ary diakra ny 1954. Nohamasinin'i Mgr Victore Sarte ho pretra ny 27 jolay 1954. Avy eo dia nakany Paris naka ny « Licence de catéchèse et sciences sociales ». Nandritra izany no nitanany ny andraikitra maha « Aumônier de la paroisse Etudiante et des Etudiants Malgaches en France ». Ny taona 1956 ka hatramin'ny 1971 izy dia nifandimby nitondra ny paroasy Andohalo, Ambohimtsimbina, Ambavahadimitafo. Niandraikitra ihany koa ny fampianarana katesizy tany amin'ny sekolim-panjakana,sy tsy minakina. Nisahana ihany koa ny fikam-banan'ny Fon-dehilahy, TAMPIKRI, sy FIHEZAMA, ary ny « aumônerie des colonies de vacances ».
Arseveka
Nandritra izany izy dia efa nampiofana katesizy tao amin'ny « Centre national de formation catéchétique ». Rektoran' ny seminera zandriny tao Faliarivo ny 1971 ka hatramin'ny 1972. Ary nifindra nanabe sy nampianatra tao amin'ny seminera zokiny tao Ambatoroka ny 1972 ka hatramin'ny 1978. Nandritra izany dia niandraikitra ny paroasin'Antanimena ny taona 1976 ka hatramin'ny 1978. Ny 27 aprily 1978 izy no voatendry ho eveka tany Mahajanga. Ary ny 2 jolay, io taona io ihany no nanamasinana azy ho eveka. Ny 13 may 1994 indray izy dia no voatendry ho arsevekan'Antananarivo, ary tafaverina teto an- drenivohitra ny 15 may io taona io ihany. Ary dia nandray ny arsidiosezy tao amin'ny ESCA. Ny 30 oktobra 1994 izy no voatonona ho Kardinaly, ary nohamasinina amin'ny maha karidinaly azy ny 21 novambra io taona io ihany. Tao amin'ny Consistoire tao Roma no nandraisany ny akanjo, ny peratra maha kardinaly azy. Ary dia mitondra anarana ao amin'ny fiangonan-dry masindahy Sylvestre sy masindahy Martin-des-monts izy. Mpikambana ao amin'ny "Congrégation pour l'Evangelisation des peoples" sy ao amin'ny "Conseil Pontifical" ho an'ny lahika ihany koa izy. Ny 17 desambra 1994 no namakiana nandritra ny lamesa lehibe ny "Bulle" nanendrena azy ho Kardinaly. Ary farany dia ny 15 oktobra izy no nahazo ny « Grand Croix de l'ordre national de deuxième classe ».
(Notsongaina avy amin'ny soratra voatahirin'i Père Joseph Martial Rasolonjatovo, mpiandraikitra ny arsiva sy ny tranom-boky ao amin'ny EKARA Andohalo, diosezy Antananarivo)
============================
Olon'ny fivavahana
Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra, arsevekan'Antananarivo ny taona ny 1993 ka hatramin'ny 2006. Nitana ny teny filamatra manao hoe « Mba ho iray ihany anie izy rehetra » Jaona -17, 21. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin'ny trano fitahirizam-boky ao amin'ny EKAR Andohalo dia « tsara fahasalamana, tia ny miantehatra amin'ny fitsaboana malagasy, ary mampahatsiaro an'i Hernani (Victor Hugo) ny kardinaly. Tia sy havanana ihany koa amin'ny fanatanjahan-tena. Maro ny fanatanjahan-tena ankafiziny : ady totohondry, baolina kitra, baolina lavalava, lomano, ary koa ny nanaovany skoto zokiny izay antsoina hoe "jeux de nuit". Nitarika ny « Marakely », izay endrika ara-javakanto teo amin'ny seminera kely tao Amparibe. Mpamorona sy mpanangan-javatra toa ny FIHEZAMA ( Fitaizana ny herin'ny zatovo malagasy), sy ny ASSM ( association sportive Saint Michel).
Fihezama
Izy ihany koa no nanangana ny « Lapan'ny Tovolahy » eny Andohalo, sy ny « Rovan'ny Tovovavy » ao Antanimena. Niadidy ny « Marolefa » izay komity misahana ny fitondrana ny ankizy avy amin'ny fianakavaina sahirana ara-pivelomana, haka fialan-tsasatra. Mpamporon-kira koa toa ny « Zahay marolefy dia falifaly lava, Veloma ihany ny aina ». Raha ny teo amin'ny lafin'ny ara-piangonana dia angady nananana sy vy nahitana ny boky fandalinam-pinoana « Nampihavaniny isika ». Loharano teo amin'ny sehatry ny firaisam-pinoana teto Madagasikara ihany koa ny Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra. Natombony tao Ambavahadimitafo izany resaka firaisam-pinoana izany, niaraka tamin'ny Pasitera Daniel Ralibera. Efa filohan'ny FET na Filankevitra Ekiomenika momba ny Teolojia, ary efa filoha lefitry ny VEFKA na vaomiera ekiominikan'ny fiangonana kristianina eto Antananarivo koa izy.




Fitaterana
Zandary mandà familiana an-kavanana
Voatohintohina ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ity mpamily mpitondra mpizahatany vahiny iray, raha nosakanan'ny zandary teny am-pitondrana ireo vahiny. Nosakanan'ny zandary mantsy ny fiara nentiny ka nampisehoan'ny zandary boky kely iray ny mpamily. "Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ny fiara misy familiana any amin'ny an-kavanana" Lalàna manamafy an'io no nasehon'ny zandary ka dia nifanazava teo aloha. Nampahafantarin'ilay zandary fa nampiharina nanomboka tamin'ny faha 6 aogositra teo ity lalàna ity. Ity mpamily moa dia mpiasa ihany, saingy mahatsapa fa voatohintohina koa ny asany. Nambaran'ity mpamily fa ny fiara mitondra mpizaha tany amin'ny orinasa iasàny sy ireo mpikarakaraka mpizaha tany eto amintsika dia saika ireny fiara misy familiana amin'ny ankavanana ireny. Niafara tamin'ny fifanarahana ny resaka rehefa resy lahatra ilay zandary. Neken'ny mpitsara fiara eto Madagasikara io, hoy ny mpamily, sady io rahateo no fiara nampiasain'ny orin'asany hatramin'izay. Namindra fo ilay zandary ka nanome iray volana ho an'ny tompon'ny fiara, hamadika ny ny familiana ho eo an-kavia, raha izay no azo atao farany. Vita ny resak'ireo samy malagasy, fa ny an'ireo mpizaha tany kosa dia nisehoan'ny fahakiviana. Ekena ny hentitra, saingy tokony nosakanana teny amin'ny seranana nidirany ireny fiara ireny. Marihana fa ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara dia efa mivoatra raha tsy hilaza afa-tsy ny fiverenan'ireo valanjavaboahary sasany amin'ny maha izy azy. Ireo mpandraharaha amin'ny fizahan-tany moa, toy ny "agence de voyage" dia tsapa ny ezaka goavana sy mivaingana vitan'izy ireny na dia miasa mangingina aza ny sasany. Manam-porofo izany ny antontan'isa izay niakatra avo dia avo tato ho ato.




Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay, fa ny reny malalanay :
dia nodimandry ny Talata 19 Aogositra 2008 rehefa nivahiny 88 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny zanany :
RAVELOJAONA Marcellin sy Aline
RAKOTOMANGA Emmauel sy Bodosolomalala
Veuve Dr RABEFIRAISANA Voahangisoalalaina (Vannes - France)
POIRET Jean-François sy Sahondra (Rénazé - France)
RAVELOJAONA Tafika (Reux - France)
Dr RAVELOJAONA Dira sy Fara (Vannes - France)
RAVELOJAONA Fidy sy Micheline (Villars - France)
RAVELOJAONA Benjamin sy Voahangy (Bordeaux - France )
ANDRIAMANANDRAIBE Auguste sy Dr. Emmanoeline
Ny taizany :
RAZAFINDRAINIBE Albert sy Arlette ary ny zanaka aman-jafiny
Ny Contrôleur Général de la Police RABETATIKA Fulgence sy Noro ary ny zanaka aman-jafiny
Ny zafiny :
Haja sy Claire, Saholy, Ranoa sy Rondro, Andry sy Landy, Naina sy Mireille, Naina sy Mirantsoa, Thomas sy Tahiana, Haingotiana, Mihary, Harindranto, Nantenaina, Maheritiana, Nandrianina sy Domoina, Hery-Balsama, Narindra sy Hiantsa, Mandranto sy Lalaina, Michaël sy Niavo, Hary-Mino, Andry sy Iaviantsoa, Philipe sy Malala, Andry, MIaly, Hery, Faly.
Ny zafiafiny :
Timothe, Yoraine, Malö, Randy, Miangaly, Aina, Mpitia, Aina, Loïc
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itpkl RAVELOJAONA Jules sy Itpkv RAVAOSOLO
Terak'Itpkl RANDRIANASOLO Céléstin sy Itpkv RAVELOMANANA Jeanna
Terak'Itpkv RAZAFIMBAHOAKA Marthe.
Ny taranaka ANDRIANKORINTSAMBOLAMENA, ny Fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora
Ny Sampana Dorkasy - FJKM Dorkasy Tranovato Anjanahary Maritiora
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Morarano
Ny Fokontany Anjanahary II.O
Ny nofiny dia hiala ao an-tranony Lot II O Bis Anjanahary ny Asabotsy 23 Aogositra amin'n'y 01 ora sy sasany tolakandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra ao an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora mialoha ny hametrahana azy ao amin'n'y fasam-pianakaviany ao amin'ny Cimetière Anjanahary .
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho, Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay homen'ny Tompo ».
(II Timoty 44:7,8)




Betsaka ny ahiahy
Manoloana ny fanovàna tian-kano tsy tian-kano ny rafi-pampianarana ankehitriny dia iaraha-miaiky fa tsy azo atao andranandrana ny ankizy ary tsy misy ray aman-dreny te-hanao sorona ny zanany. Misy fanontaniana hovaliantsika ireto, hahitàna fa mety andanandrana indray ity ary mety ho lasa sorona ny zaza malagasy.
1. Ireto ny fanovàna misongadina :
Teo aloha T1-T5 miafara amin'ny CEPE. T6-T9 miafara amin'ny BEPC. Seconde hatramin'ny terminale miafara amin'ny BAC
Ny hiova, tsy mbola mazava mihitsy satria toa tsy misy resaka ny amin'ny diplaoma. Mbola hisy ihany ve ny CEPE sy ny fifaninanana hiakatra taona faha-6 ? Ary rehefa mamarana ity atao hoe « école fondamentale » na ity lazaina hoe roa taona avy eo amin'ny T5, inona ny diplaoma tsy maintsy alaina ? Tsy tsaratsara kokoa ve ny fampitomboana ny isan'ny sekoly mampianatra mamboly, miompy, manomana ny asa vy, asa hazo, na erinaratra, na « plomberie » na « mekanika hafa », na teknikan'ny sampana fahasalamana no atao vaindohandraharaha ?
Teo aloha ny teny fampianarana dia teny malagasy miampy teny frantsay. Ny boky any am-pianarana dia teny malagasy sy frantsay. Ny hiova dia tsy mbola tena mazava ihany koa. Ny resaka mandeha aloha dia hiditra ao amin'ny taona faha-6 ny teny anglisy.
2. Ny fomba nandraisana fanapahan-kevitra.
Tsy ampy mihitsy ny lazaina fa hoe fikaonan-doha niaraka tamin'ny lehiben-tsekoly, tamin'ny mpampianatra indrindra ny tamin'ny ray aman-dreny. Izay ny mahatonga ny maro hihevitra fa tsy fanapahankevitra pedagôgika izy ity fa politika. Misy lafiny mirotoroto, teren-ko masaka. Fomba mifanohitra amin'ny lalam-panabeazana itompoina milamina, mazava, tony.
3. Ny mpampianatra sy ny boky fampianarana.
Teo aloha dia sady miteny malagasy sy teny frantsay ny mampianatra. Raha tsy ampy ny boky malagasy dia nofenoin'ny boky frantsay. Ankehitriny dia mbola misy baraingo manontany hoe aiza ireo boky ary hoatrinona ? Sa dia atao kapo-batana fotsiny ?
Tamin'ny andron'ny sosialisma nanagasiana ny fampianarana dia iaraha-nahita fa sady tsy nahafehy ny teny malagasy na ny teny frantsay tahaka ireo zokiny ny mpianatra tamin'izany. Ny antony dia tsy ampy ny boky voasedra azo ampianarana ary indrindra indrindra tsy voafehin'ny mampianatra ny teny malagasy enti-mampianatra. Tsy mbola nisy dingana vaovao misongadina vitan'ny fikarohana ny teny malagasy mikasika izany hatramin'izao.
Ny hambom-po manandratra ny maha-malagasy dia mendri-pideràna fa ny fanovaovàna ny rafi-pampianarana antemaka, mirotoroto dia inoana fa hampisafotofoto ny rafitra misy ary hiafara amin'ny fanaovana sorona indray ny zaza malagasy.




Tsy afa-bela i Andry Rajoelina
Diso ny maro raha nihevitra fa ho haingam-pandeha ny TGV. Ny antony dia miseho hatrany ny olana isan-karazany raha nihevitra ny hampandroso ny kaominina aingana ity olom-boafidy. Tsy takona afenina intsony ny resaka politika, ka na dia hambara aza fa tsy hanavahana firehena ny fanampiana atao amin'ireny kaominina manerana an'i Madagasikara ireny, dia tratrin'ny ankivy lava ny eto andrenivohitra.
Niainga tamin'ireny olana teo anivon'ny Jirama, ka nanapahana ny jiro sy rano tamin'ny faritra saro-pady teto andrenivohitra. Nitohy tamin'ny tsy fahazoana manendry sefom-pokontany, ary niampita hatrany amin'ny fampidinana lenta ny renivohitra hitovy amin'ny kaominina ambanivohitra. Niarahana nahita indray ny resaka hetra izay tsy miditra mivantana any amin'ny kaominina sy ny fitakiana ny trosa napetraky ireo ben'ny tanàna sy PDS nifandimby teto hatramin'izay. Eny fa na ny fitantanana ny tobim-piantsonan'ny fiara mpitatitra olona etsy Ampasapito aza, dia nomena ny ATT indray.
Ny fifaninana ho ataon'ny kaominina isan-karazany ity hanomboka, ary ho tsaraina tsy ho ela izay nahavita ezaka lehibe teo amin'ny fitantanana. Mba hanao ahoana ny ho avin'ity renivohitra ity. Moa ve mba misy kaominina hafa mitovy fahavoazana toy ny eto andrenivohitra any ho any ? Mampahatsiaro ny zava-nisy tany Toamasina sy Fianarantsoa ny mahazo ny renivohitra ankehitriny. Tsy ilaina taraina ihany koa anefa ny tahaka izao, fa miandry ny fahaizan'ingahy Andry Rajoelina miala amin'ny sakana ny maro. Ny filoha Ravalomanana raha naneho ny heviny momba izao tranga miseho izao, dia nilaza ny hoe "aza mba hananan'olona trosa ihany". Midika io fa tsy misy resabe ny momba ny fitakian'ny fanjakana ny volany any amin'ny sehatra tahaka ny kaominina. Matoa niditra, dia vonona ny hisedra ny fingana, ary antenaina mba tsy ho lasa sorona noho ny firehena samy hafa ny vahoaka eto. Raha izay no hitranga, dia samia mijinja izay nafafy, hoy ny fomba fiteny iray izay.




Mpanohitra miaradia
Miantso ny vahoaka handray fepetra
Ampy izay ny fampahantrana antsika. Io no niverimberina tamin'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra miaradia tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely ny sabotsy tolakandro teo.
Ny fanatsikafonana ny olana eto amin'ny firenena no noventesin'ny mpitarika teny an-toerana. Ny tontolon'ny fampianarana izay nanazavan'ingahy Fanony Fulgence, fa isan'ny nimatimatesany fony izy ministry ny Fampianarana ny nampiditra ny teny Frantsay ho teny enti-mampianatra. Nosy isika, ka ilaina ny fijanonana amin'ny teny vahiny. Tsy midika anefa izany, fa tsy hianatra ny tenin-drazana ny Malagasy. Miantso ny hanao ady hevitra amin'ny ministra amperin'asa ankehitriny ny tenany.
Ny vahoaka tsy mahay mandinika ny fahantrana no tena mahantra. Io no nisarihan'ingahy Harinaivo Rasamoelina ny vahoaka eto Andrenivohitra handray ny andraikitra. "Izahay mpanao politika dia manazava, fa ny vahoaka no tompon'ny teny farany". I Harison kosa no namelabelatra ny olana sedrain'ny tanàna eto Andrenivohitra. Ireo ankivy maro isan-karazany, izay tsy ny ben'ny tanàna no voa amin'io fa ny vahoaka mpandoa hetra. Ny farany, dia i James Ratsimba izay nanazava ny olana ara-toe-karena diavin'ny firenena Malagasy. Hitohy rahampitso ny fivoriana izay atao eny amin'ny Villa Elisabeth Ivandry. Tomefy olona ny tranom-pokonolona Analakely, ary tazana tao avokoa ny mpanao politika mpanohitra rehetra isan'io ingahy Zafy Albert, Pierre Tsiranana, Daniel Ramaromisa, Beza Seramila sns...
Tao anatin'ny filaminana no nanehoan'izy ireo ity hetsika ity. Tsara ny milaza fa nahazo alalana hanao ny famoriam-bahoaka avy amin'ny "Préfet de police" eto andrenivohitra ireto mpanohitra ireto.




Lalao Olimpika
Fahavoazana sy ady ranondranony
Tapitra ihany ity ny Lalao Olimpika 2008 tany Beijing. HItohy amina fandraisana am-pifaliana ny atleta nisolo tena azy tany ny lanonana ho an'ireo firenena maro nandray anjara na inona vokatra azo na inona, satria tsy ny fandresena loatra no toe-panahy tian-kavoitra amin'ity fifaninanana ity fa ny fandraisana anjara.
Ho raharaha ihany anefa ny antsika malagasy rehefa ho samy tafahaona eto an-tanindrazana ireo mpitarika tany satria samy tsy misy te-ho tompon'antoka hiaiky ny vokatry ny tomban'ezaka sy ny tsy ho vita mihitsy ka mifandrombaka mifanilika dieny izao.
Tsy te-ho tompon'andraikitra
Tsy mbola nanana vokatra ratsy nihoatry ny tamin'ity i Madagasikara hatramin'izay nandraisany anjara tamin'ny Lalao Olimpika nifanesy, hoy ireo zokinjokiny teo amin'ny sehatra ara-panatanjahantena, na tamin'ny isan'ny mpifaninana na tamin'ny zavabita tany, nefa tsy antony tokony hifanomezan-tsiny izany, hoy izy ireo, satria tsy voatery ho avy amin'ny mpikarakara na ny atleta fa miankina amina lafin-javatra maro ara-toekarena sy fiaraha-monina ary indrindra ny fivoarana eran-tany.
MIfandramatra nohon'ny fialana andraikitra amin'ny vokatra azon'ny malagasy tany Beijing sahady anefa ny mpitantana amin'izao fotoana izao. Asa na matahotra an'iza na nanome toky an'iza, fa raha ny valalabemandry aloha, efa zatra ka izay vita eo, iononany araky ny filozofia "mason-tsokina, masom-boalavo" nahazatra hatramin'izay...
Ahiana hihanaka ihany anefa io adin'ny samy ngeza io raha ny fanombanana ny fitrangany satria efa vaky ihany koa ny fifamelezana an-karihary eny anivon'ny samy mpanao gazety ka nandrava ny firaisankina niarahana hatramin'izay ary atahorana hihamafy any amin'ny fotoana ifanatrehan'ireo ankolafy izay lasa samy manana ny mpiaro azy.
Nampiova zavatra betsaka teto amin'ny firenena tokoa iny Lalao Olimpika nokarakarain'ny Sinoa iny ary nahatsapana ny fahalovan'ny fanatanjahantena malagasy ka irariana ny hahatanterahan'ireny vinavina nambaran'ny ministra tompon'andraikitra ireny.




Iavoloha
Fianakaviana 30 roahina
Misy fandroahana ireo fianakaviana nanorim-ponenana ao anatin'ny faritry ny tanin'ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ankehitriny. Mifanipaka be ihany anefa ny vaovao, ary miahiahy ny fahamarinan'ny baiko mihitsy aza ireo voakasik'izany ka miantso fijerena manokana avy amin'ny Filoham-pirenena.
Tantara efa ela
Trano 30 tafo ao amin'ny fokontanin'i Morarano, kaominina Andoharanofotsy, aloha no heno fa nahazo baiko an-taratasy hiala, "mandra-pahatongan'ny faha-28 aogositra izao." "Voafitaka angamba izahay", hoy ny solontenam-pokonolona nandritry ny fihaonanay tamin'ny mpanao gazety, "satria efa nangatahanay io tany io tany aloha ary nasehon'ny Intendant de Palais tao Iavoloha anay tamin'ny taona 2003 tany ho any ny taratasy lazainy fa faneken'ny Filoha Ravalomanana ny hanananay ny tany ka nasainy hiara-hameno taratasy momba izany taminy izahay." "Tsy tanteraka izany satria maty io manamboninahitra io ka niova ho taratasy fampiomanana ny hialanay teo amin'io tany efa nomaintisina molaly io, nanomboka ny taona 2004", hoy ireo mponina. Efa nisy fampakarana anay teny amin'ny fitsarana tamin'izany saingy rava nohon'ny tsy fahatongavan-dry zareo mpitory, araka ny fanazavany, ary dia ny fiovan'ny Intendant de Palais indray izao mampihetsika azy izao.
Tsy mazava
"Nampanaovin'ny ben'ny tanànan'Andoharanofotsy fangatahana indray izahay taorian'io ary nampanantenainy fa izy no hampita azy any amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ! Sady tsy nahazo valiny afa-tsy ny fandroahana izahay, hatramin'izao, no tsy avelany ho fantatray ihany koa na lasa marina na tsia ny fangatahanay fa sao, hono, hijerenay làlana ambadika hampigadrana azy", hoy ny fitarainan'ireo ho ravana trano. Takian'ireto olona ireto ary ankehitriny ny marina momba ny taratasy rehetra nandidiana ny fialany amin'ny tany izay avy any amin'ny Fiadidiana ny Repoblika nefa tsy misy laharana akory ary tsy ny tomponandraikitra no nanasonia ny sasany. Ahiahy mipetraka koa ny mety hisian'ny mizana tsindrian'ila, araka ny fanazavana azo. Samy voakasiky ny fandroahana avokoa tany am-piandohana ny teny amin'ny fokontany Iavoloha sy Bongatsara nefa tsy voatohintohina intsony ankehitriny satria toeram-ponenan'ireo manamboninahitra sy mpanankarena maro na dia akaiky kokoa ny Lapa aza raha mitaha amin'i Morarano.
Tsy manda mpitondra
"Miantso ny Filohampirenena hijery ny marina amin'izao raharaha izao" ireto vahoaka ireto ary nanambara fa "tsy handa velively izay fanapahana avy ao an-dapa raha ilain'ny fanjakana marina ny fialany eo satria ambony nohon'ny fianakaviana ny tombontsoam-pirenena", hoy ireo ho ravana trano ao Morarano.




Antenierampirenena
Depiote tsy miankina efatra tsy nahazo fiara 4X4
Raha nolazaina fa nahazo ny fiara 4X4 avokoa ireo solombavambahoaka tsy miankina 17 eny amin'ny Antenimierampirenena, dia tsy izany tampoka no zava-misy. Ny filohampirenena Marc Ravalomanana no nanome ampahatsorana, fa niova kosa izany rehefa tonga teny amin'ny Antenierampirenena ireo fiara.
Depiote tsy miankina efatra no fantatra fa tsy nahazo ny anjara tokony ho azy. Ny depiote isany, Jao Jean voafidy tany Antsohihy, Bruno Josvah voafidy tany Taolagnaro, Rambolazafy Alexandre na Chirack avy any Ivohibe ary Zalifa Bente Salim avy any Analalava.
Niainga avy amin'ny fampiantsoan'ny Filohampirenena ireo solombavambahoaka taorian'ny fiafaran'ny fotoam-pivorian'ny parlemanta ny fanomezana fiara. Nandray fitenenana tamin'izany ny filohan'ny vondrona parlemantera TIM fa tokony hahazo ny anjara fiara 4X4 amin'izay ireo depiote tsy miankina 17. Nanaiky ny fangatahana avy hatrany ny Filohampirenena. Nasaina nalain'ireo mpamilin'ny Antenimiera ny fiara ny 5 aogositra teo. Nasaina naverina ny iray satria an'ny depioten'i Mananara-Avaratra Zakahely Boniface izay migadra any Ambalatavoahangy-Toamasina.
Rehefa tonga teny Tsimbazaza, niova hevitra tampoka ny filohan'ny Antenierampirenena, Jacques Sylla. Nampivory ny mpikambanaa amin'ny birao maharitra izy tamin'izay ka nilaza fa aleo tsy omena izay depiote tsy tonga tamin'ny fampiantsoana teny Iavoloha. Navily làlana ny tompon'ny fiara, ka lasa ireo solombavambahoaka TIM vaovao nisolo toerana ireo lasa minisitra sy senatera indray no nomena.
Araka ny fantatra dia tsy tonga teny Iavoloha ny depiote Jao Jean, Chirack, ny hafa kosa tonga teny ihany. Taitra izy ireo raha tsy nomena indray. Nahazo ilay fiara tokony ho azy ireo kosa ny depiote TIM avy any Toamasina vaovao, nisolo ny minisitra Botozaza Pierrot, ny depioten'Amboasary Atsimo, nisolo ny senatera Kaleta sy ny hafa.
Efa namaly ny hetahetan'ireo solombavambahoaka tokoa ny Filohampirenena saingy nanova hevitra kosa ny filohan'ny Antenimierampirenena.




Tsy ho lasa rano
Malaza indray ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka eto Madagasikara. Mihetsika mitady fanampiana hatrany ivelany ny mpitondra fanjakana. Napetraka ny ministry ny Rano, ary maro no nanohina ny antso ireo firenena any ivelany fa hanampy an'i Madagasikara.
Ny 15% ny vahoaka Malagasy no tsy mahazo rano fisotro madio, ka ny renirano na rano miangona na lava-drano no hivelomana. Tsy ho gaga isika raha maro no tratrin'ny aretina toy ny lagaly, na areti-kibo ho an'ny zaza vokatry izay rano tsy ara-pahasalamana izay.
Tsy ny mponina any ambanivolo ihany anefa no mahita olona amin'ity tsy fahampian-drano ity, fa eo koa ny aty antanan-dehibe. Raisina ohatra amin'io ny eny amin'ny faritra iva. Raha vao mirotsaka ny orana, dia efa dibo-drano maloto ny lava-drano eny amin'izy ireo. Mifangaro ny rano amin'ny lava-piringy sy ny lava-drano. Io anefa no sotroina indray, rehefa avy eo. Ity ezaka ataon'ny fanjakana ity ve mety hiampita hatrany amin'ny tsy fahandoavam-bola eny amin'ny mpaompim-bahoaka intsony ? Tsara ny milaza fa Ar 10 ny iray siny ary tafakatra hatrany amin'ny Ar 50 ny 20 litatra. Isika rehetra no manao kajikajy amin'ny filan'ny tokantrano iray rano isan'andro. Ny rano sy ny trano fivoahana ary fidiovana ny tanjona, ary antenaina fa hifanome tànana amin'ny vahoaka isaky ny kaominina, mba tsy andeha ilay tarigetra tiana ho tratrarina, ka tsy ho lasa rano ny ezaka natao.




Kolontsaina Malagasy
Apetraho ny rafitra hitaizana ny ankizy
Miha-potika ny soatoavina Malagasy, ka na ny resaka famadihana aza toa heverin'ny hafa fa fandaniam-bola fotsiny. Andraikitra iray miandry ny olon-kendry rehetra ny famerenana amin'ny laoniny ity soatoavina Malagasy ity.
Ingahy Rabesata Arima, mpanoratra ny boky Alimanaka Malagasy, no naneho ny ahiahiny ny mety aharendrika ny fomba amam-panao Malagasy raha tsy mitandrina isika. Taorian'ny nampidiran'ny mpanjanaka ny fivavahana teto Madagasikara no nanomboka very tsikelikely teo amin'ny Malagasy io fomba amam-panao io. Tsy ny fivavahana no ratsy, fa ny namadihana ny fomba nataon'ireo zoky ray aman-dreny tany aloha ho ratsy no tsy nibahana tao an-tsain'ny maro.
Ny famadihana
Maro no mametraka fa tsy tokony ho atao ny famadihana fa mandany vola. Ny velona aza tsy voatafy, ka ny maty efa tsy mahatsiaro fangirifiriana indray ve no hanaovana fandaniana ? Hambara fa ny tany no namolavolana antsika olombelona. Midika io fa tsy ankasitrahan'ny maro ny hikambanan'ny nofontsika amin'ny tany indray raha raraka. Mila fonosona tsara ilay olona mba hampisaraka ireo voalaza ireo. Ho mari-pakasitrahana ny soa nataon'ilay olona fony fahavelony ihany koa ny anton'io. Midika io fa tsy rendrarendra ny hanaovana itony famadihana itony.
Malahelo ingahy Rabesata Arima nandre fa afaka 50 taona dia mety ho levona tanteraka ity teny Malagasy ity, ary levona miaraka amin'izany koa ny fomba Malagasy. Manao antso amin'ny mpitondra fanjakana ny tenany, mba hiara-hamelona ny soatoavina Malagasy, tsy hibahanan'ny kolontsaina vahiny be loatra eto Madagasikara. Manana anjara toerana lehibe amin'io ny haino aman-jery rehetra, satria mitaiza sy manabe ireny, fa tsy sanatria natao handetika ny an'ny tena, ka hanasoaso ny an'ny vahiny.




Manakara
Tsy mandova tany ny zanaka vavy
Noho ny fomban-tany sy fomban-drazana hatramin'izay dia ny 10 %n'ny vehivavy ao amin'ny distrikan'ny Manakara ihany no mba manana tany. Na eo aza mantsy ny lalàna manome ny zon'ny olona rehetra ho afaka mandova ny fananan'ny ray aman-dreniny dia noferan'ny fomban-drazana izany ka tsy mahazo mandova tany ny vehivavy na ny zanaka vavy io. Mazava ho azy fa an'ny lehilahy hatrany ny fandimbiasana ny anaran-dray any amin'ity distrika ity. Manoloana izany sy manoloana ny fitovian-jo eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy dia nanao varavarana misokatra ny fikambanam-behivavy any an-toerana, miara-miasa amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, ny mpahay lalàna sns... Nitondra ny lohahevitra hoe "ny vehivavy sy ny fananan-tany" ity varavarana misokatra ity. Tsy hanafoana ny fomban-drazana velively no tanjon'ny mpikarakara, araka ny vaovao azonay, fa ny fiarahana mikaroka marimaritra iraisana sy vahaolana mba ahafahan'ny vehivavy manana ny zony eo amin'ny lafiny fananan-tany. Efa mahazaka izany fananana tany izany mantsy ny vehivavy any an-toerana ary vonona amin'izany rahateo. Tsy any Manakara ihany anefa no misy ity fomba ity fa amin'ny faritra maro, ary saika tompon'io avokoa ny ankamaroan'ny faritra ao anatin'ny Matsiatra ambony iny. Efa am-pon'ny lehilahy any an-toerana moa ny "miralenta" ka hanamora ny fifanarahana.




Raikitra ny ady saritaka
Hanao ahoana no hiafaran'ity renivohitra ity ? Mifamahofaho ao an-tsain'ny maro io mahita ny zava-misy eo amin'ny fanjakana foibe sy ny mpitantana eo amin'ny kaominina renivohitra. Efa maro ihany ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny haino aman-jery samy hafa momba azy ity, saingy toa mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny raharaha.
Taorian'ny valin-kafatra nampitain'ny teo anivon'ny kaominina ny alatsinainy lasa teo, dia nitondra ny heviny ihany koa ny mpitondra teny eo anivon'ny antoko TIM dia ny depiote Donat Andriamahefamparany. Tsy tongatonga ho azy izao valinkafatra izao, fa ao ny lehibe mampiteny ny olona azo hitokisany. Toa samy manana ny faha-marinany avokoa ireo izay naneho hevitra rehetra, na ny teo anivon'ny fanjakana foibe nitaky ny trosany tamin'ny kaominina, ary toy izany koa ireo mpitantanana eo amin'ny tanànan'Antananarivo renivohitra, ary io vao naneho ny fomba fijeriny io ihany koa ny mpikambana eo anivon'ny antoko TIM. Velona ny ady eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Tsy takona afenina intsony ny disadisa. Io fifandirana io, dia hiteraka fahavoazana goavana eo amin'ny fampandrosoana ny tanana. Na ho toy inona tokoa mantsy fanazavana apetraka eo amin'ity raharaha momba ny tanànan'Antananarivo ity, dia tsy maintsy hifampiandry kendritohana hatrany ny roa tonta eo amin'ny fomba fiasa.
Iarivo avokavok'i Madagasikara ity no lasa hipetrahan'ny ady saritaka lava eo amin'ny lafiny politika. Dia ho sanatria ve ho sorona hatrany ity renivohitra ity, sy ny vahoaka ao aminy ?




Namaly bontana ny TIM
« Diso hevitra ny mpanohitra sy ny kaominina »
Izay vao nisy tompon'andraikitry ny antokon'ny fitondrana nanazava resaka politika hamaliana ny fitakian'ny mpanohitra. Ny depiote Donat Andriamahefamparany, filoha lefitry ny TIM, no niatrika ny mpanao gazety. Nampifandraisiny ny hetsiky ny mpanohitra teo Analakely, ny sabotsy teo, sy ny olana ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. " Manonofy ny mpanohitra fa raha resy tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna ny kandidà Tim ny desambra 2007 teo, dia azony ilalaovana Antananarivo-Renivohitra ", hoy izy.
"Tsy misy mpanohitra na mpanao politika hafa azon'ny antoko TIM ifampiresahana hatramin'izao satria ireo mpanohitra ireo dia tsy misolo tena ny vahoaka akory, noho izy ireo tsy manana olom-boafidy. Sarotra ny hanome sehatra ho azy ireo satria tsy mety mandray anjara amin'ny fifidianana mihitsy", hoy ny mpitondra tenin'ny TIM.
Eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, tsy misy hafa tsy ny tenin-dreny ihany no fitaovana mahomby indrindra hampitana ny fianarana. Manamarina izany ny fikarohana nataon'ireo manam-pahaizana teto amin'izao tontolo izao, hoy ny fanazavana teny amin'ny "Auditorium" Ankorondrano. Ny fanagasiana izay nisy tamin'ny taona 1975 dia ny fanagasiana mbola niady tamin'ny mpanjana-tany. Mikasika ny kaominina indray, fony mbola nitantana ny kaominina ny TIM dia nifampiraharaha foana tamin'ny ministeran'ny Vola amin'izay mety famerenana ny vola nindramin'ny kaominina sy ny fangatahana fe-potoana hamerenana izany raha sahirana. Tsy maintsy aloa ny trosa fa ny minisitera no mamaritra izay fotoana tiany handoavan'ny kaominina izany.
Torak'izany koa ny trosa avy amin'ny banky iraisam-pirenena, voalazan'ny tompon'andraikitry ny kaominina Antananarivo-Renivohitra fa efa voafafa tamin'ny "Point d'achèvement" ny trosa. "Ny trosa avy amin'ny ministeran'ny Vola ihany no voakasiky ny famafana fa tsy ny orinasam-panjakana na ny vondrom-paritra toy ny kaominina", hoy Donat Andriamahefamparany.
Novaliany tsirairay ny fanakianana matetika natao amin'ny fitondrana. "Tsy hisy hahazo tombontsoa amin'ny fidinana an-dalambe fa izay no nampahantra ny firenena tahaka izao".




Ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara miasa aminy rehetra,
Dia mampandre amin'ny alahelo lehibe ny fahalasanan'i zoky, Ray aman-dReny, Mpiara miasa :
Ny nofony dia hiala ao an-tranony, Lot AB 202 bis Ambohimamory, ny Alarobia 27 Aogositra 2008 amin'ny 12ora atoandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Andranosoa Jerosalema (RN2, Pk21) , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Andranosoa ihany.
« Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; Nitahiry ny finoana aho ».
(II Tim 4:7)




Hitsikitsika tsy mandihy foana
Manomboka mitsoaka ny rivotra politika, izay handrehitra ny afo niotrika. Tsy tongatonga ho azy tokoa izao seho manomboka mahazo vahana eto amintsika izao, dia ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa.
Sasanangy samy hafa, nefa mety ho iray ihany no hiafarany. Miainga amin'ny grevin'ny JIRAMA izany. Ekena fa fitakiana ny tombontsoa ho an'ny mpiasa no hiaingan'ny resaka, nefa ve ho azontsika sary an-tsaina ny mety ho fiafaran'izao ? Miditra an-tsehatra ny CRN, izay manosika ireo vondron'ny mpanohitra miaradia amin'ny famoriam-bahoaka. Ity farany, dia toa tsy mionona amin'ny famoriam-bahoaka anaty trano, fa mitetika ny hidina an-dalambe. Miseho ny fifandirana eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina eto andrenivohitra amin'ny resaka trosa sy ny toerana fiantsonan'ny fiara etsy Ampasapito. Samy tsy manaiky ho gisitra ny rehetra amin'ny fanazavan-kevitra ataony. Miditra an-tsehatra ny antoko TIM manao ny fanazavan-kevitra amin'ny vahoaka. Ankoatry io, dia misy mamadika ilay fidirana amin'ny fiovan-drafitry ny fampianarana vaovao eto Madagasikara. Tsy vitsy ny mamadika io ho resaka politika.
Histikitsika hono tsy mandihy foana fa ao raha. Tsara ny milaza, fa misy ny mahazo tombontsoa manokana raha misy ny korontana eto Madagasikara. Maro no te-hiakatra eo amin'ny fitondrana, ka zara aza misy sehatra afahana manodina ny raharaha ho fanonganam-panjakana. Ilaina noho izany ny fifampihainoana, fa tsy ho sanatria hanao resaky ny moana sy ny marenina lava eto isika mianakavy.




Lozam-piarakodia
Mahazo fanalefahan-tsazy ny mpamily mamo toaka
Niteraka resa-be indray ny loza nataon'ny taxi-be 194 izay nandona olona teo Ankorondrano tamin'ny talata lasa teo. Alohan'izany anefa dia tsara ny mahafantatra fa tsy misy ahiana ny ain'ilay tovovavy 16 taona nofaohin'ity taxi-be 194 ity. Nozairina ny molony, ary mbola tsaboina ny faritra samihafa amin'ny tenany. Roa vavy no voadona tamin'io ka ny iray efa nalefa nody. Niandraikitra ny fikarakarana rehetra teny amin'ny hopitaly HJRA ilay mpamily.
Etsy andaniny anefa dia vitsy ireo taxi-be 194 nanao ny asa noho ny fepetra efa fantatry ny kaoperativa rehetra. Nisy tamin'ny mpandeha tamin'iny andro iny moa no nilaza fa namporisihan'ny mpandeha iray ny mpamily mba handeha mafy, noho ny fahamaikàna angamba. Nasain'ity mpamily nametaka fehikibo tokoa ny mpandeha teo aloha ary iny loza nahatsiravina iny no vokany. Tao anatin'ny faritra fiampitan'ny mpandeha an-tongotra no nisehoan'ny loza.
Malaza ho tena mpanara-dalàna sy manarapenitra ity zotra ity izay tsy mitondra olona afa-tsy 4 isaky ny laharan-tseza, saingy malaza ratsy amin'ny fandehanana mafy ihany koa.
Ny zotra rehetra mihitsy anefa no efa manao ny ataony amin'izao fotoana izao. Eo ny fandehanana mafy, fa tandra vadin-koditra amin-dry zalahy koa ny havoretràna, ny fiteny vetaveta, sy ny tsy fanajana mpandeha. Raha ho resahana moa ny hoe "mamolava" sy "mpisotro toaka" dia toa omen'ny lalàna vahana izy ireny. "Tsy tompon'ny tenany", izay no mampihena ny sazy azon'ireny mpamily manao loza ireny. Tsy mandalina ny nahafahan'ny olona mamo nandray familiana ny lalàna fa kilasiana toy ny adala tsy nahatsiaro tena ny olona mamo. Raha ny ohatra efa nisy moa dia ny nandonan'ny mpamily iray ny fiarana orinasa teto an-drenivohitra. Mafy ny fifandonana saingy narovan'ny fahamamoany ilay mpamily nitera-doza izay nanambara fa tsy tompon'ny tenany ka tsy nahalala ny nataony. Ny dikany dia mihena sazy azon'ny olona mamo ka raha tokony higadra herin-taona izy, ohatra, dia mety ho 7 na 8 volana sisa.




Tokony ho matotra ny ben'ny tanàna
Mihazakazaka ny asa atao eto Madagasikara. Manana andraikitra lehibe amin'io ny eo anivon'ny ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Midika asa goavana ny anton'ny nanakambana ireo ministera roa ireo ho iray. Manana andraikitra goavana eoanivon'ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina ity ministera ity. Ilaina ny fidinan'ny fanjakana eny anivon'ny vahoaka mijery sy manara-maso izay filan'ny mponina eoamin'ny foto-drafitrasa isan-karazany. Ilaina noho izany ny fiaraha-miasan'ny olom-panjakana rehetra amin'ireo olom-boafidy na ny olo-boatendry. Sehatra iray mifampiankina ireo. Midika izany fa tokony ho matotra amin'ny asa atao ny ben'ny tanàna ary tsy ho entanim-po amin'izay atao.
Isan'ny nambaran'ny tale Jeneraly eo anivon'ny ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana, Guy Rivo Randrianarisoa,. Ny kaominina dia manana ny fandaharan'asany eo amin'ny fampandrosoana ny tanàna. Andraikitra goavana ny asa atao eny. Midika io fa tokony hisy ny fahaiza-mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin'ny ambaratongam-pahefana rehetra. Raha ilaina aza, dia tokony hisy fampiofanana amin'io fahaiza-mandresy lahatra io.
Izay no antony nanaovana ilay fifaninana isaky ny kaominina izay efa nanomboka ny 15 jolay lasa teo. Mandray anjara amin'io avokoa ny kaominina 1549 manerana ny nosy. Mitsinjara ho sokajy efatra io, ka ny kaominina andrenivohitra miampy ireo manana sata manokana no ao amin'ny sokajy I. Misy folo izy ireo. Ny kaominina andrenivohitra sokajiana ho sokajy 2 kosa dia misy 35. Ny kaominina ambanivohitra sokajy I mahatratra 64, ary ny farany dia ny kaominina ambanivohitra sokajy faha 2 dia mahatratra 1442. Tsy miaraka ny fandraisan'ireo anjara, noho izay maha-samy hafa ny andrenivohitra sy ny ambanivohitra izay. 2 isaky ny distrika no tafakatra, ary alefa mifaninana any amin'ny faritra avy eo. Ny asa vitan'ny kaominina tsirairay no hifaninanana, ary hifarana ny 10 septembra ny fifaninanana. Ny 25 septembra kosa no hamoahana ny vokatry ny fifaninanana. Misy ireo masontsivana tokyoïte harahina amin'ity hetman ity, dia ny fahaizana mitantanana, ny fahadiovan'ny tanana ny asa vita eo amin'ilay kaolinite ihany koa. Fifaninanana masina ity ataon'ny eo anivon'ny ministeran'ny Aty tany sy ny Fitsinjaram-pahefana ity, ary ny mpitantanana ny fifaninanana dia ny eo anivon'ny Primatora. Ireo mpiara-miombon'antoka kosa no hanome ny loka goavana ho an'izay mendrika. Tsara ny milaza fa ho lavitry ny « halako bika tsy tiako tarehy » ny hetsika tahaka izao.




Antananarivo
« Aza potehina ny safidin'ny vahoaka 60% », hoy Rabesahala Gisèle
Mipetraka ny savorovoron-tsaina noho ny fanakendana ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy avy amin'ny safidin'ny mponina na ny mpitantana ny tanàna, fa ny fihetsika ataon'ny fitondrana no mahatonga izany. Tsy fandranitana na fanakorontanana no hitenenako, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala, fa amin'ny naha-mpitantanana ny tanàna teto Iarivo ny antoko nisy ahy, dia ny AKFM izany.
"Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin'ity tanàna ity. Ny vola tsy notrosainy sy tsy nampiasainy ve no asaina aloany ankehitriny ? Toa atao kenda roroka ny vahoaka 60% izay nametraka tamin'ny fomba mazava ity ben'ny tanàna ankehitriny ity. Raha nitantanana ity kaominina ity izahay tany aloha tany, dia napetraka ny fitsinjaram-pahefana matotra. Niainga tamin'ny fifidianana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mifanohitra amin'izany ny zava-misy ankehitriny. Giazana tsotra izao ny tobim-piantsonan'ny fiara mpitatitra olona etsy Ampasampito. Nahoana no izao vao natao avokoa ireo rehetra voalaza ireo. Miteraka fanorisorenana amin'ny olona ny toy izao, satria ny fiainana mafy efa mianjady aminy noho ny sakafo ambany foitra, nefa dia io giazana io indray ny olona nametrahany ny safidiny. Mipetraka ny sora-damba tsy tian'ny manjaka, noho ny resaka politika."
Tetika hametrahana PDS
Aoka hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy avilivily. Ny atahorana amin'izao fanagiazana ny tanàna eto andrenivohitra izao, dia mety hisy ny alaim-panahy hilaza fa tsy mahavita azy ny ben'ny tanàna. Eo no hivadihan'ny sasany hanoloana PDS ny olom-boafidy eto. HIta io any amin'ny kaominina hafa eto Madagasikara. Fihantsiana ny safidim-bahoaka io raha izay no tanteraka. Misy ny lalàna fototra tsy maintsy hajain'ny rehetra. Avelao ingahy Andry Rajoelina hiasa, ary ampio, satria ity renivohitra ity dia renivohitra ara-tantara, ara-toe-karena, ary ara-panjakana. isika rehetra no miara-tompon'izany.
Ireo asa vita tany aloha
Tsy tokony ho adinoina ny tantara, raha miresaka ity tanàna ity isika. Fony izahay nitondra teto, dia maro ny asa vita. Isan'io ny tranom-panjakana maro izay hita mbola mijoalajoala ankehitriny. Ireo sekoly sy fanasan-damba ary trano fidiovana. Napetraka ifotony ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Raha nisy ny fahamaizan'ny lapan'ny tanàna, dia nanokatra kaonty tamin'ny banky. Tsy hay intsony anefa ny niafaran'ny vola voahangona tamin'izay amin'isika miteny izao. Tsy nampitsanga-menatra ity renivohitra ity ny asa vitan'ny AKFM fony izy nitondra teto, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala.




« Sinema malagasy »
Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon'ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon'ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha fanonganam-panjakana. Ny fampianarana malagasy moa dia ifandroritana sy ampisehoana hambom-po samihafa. Dia velona ny fanontaniana hoe "mody miady ve ?". Misoko miadana anefa ny vokatry ny fifantohan'ireo mpitondra ao anatin'ity resaka politika ity. Maro ireo mpanao politika mijapijapy moramora. Ny tsikaritra aloha amin'izao fotoana izao dia misy fanomanana goavana ataon'ny antoko politika sasany. Ny an'ny fitondrana moa dia mazava fa ny toerana efa notanana no mbola tiany ho fikirina ka io tsara fiomanana io sahady, raha tsy sembanin'ity hevitra tsy voahevitra indraindray...
Ny mpanohitra koa mba manomana ny seza kendreny ho azo dia ny fitondrana izany, saingy kely hery ka miandry mpamatsy eh ! Fa aleo koa tsy heverina ho mipetra-potsiny ny ben'ny tanànan'Antananarivo fa maro no mampirisika azy ao ambadika ao. Fitaovana matanjaka aloha izy amin'izao fotoana izao ka anjarany ny misafidy. Samy azo anaovana sinema mantsy ireo mpanao politika ireo.




Tahaka ny minisitra hoe ?
Tahaka ny minisitra hoe ? Mampitolagaga sy mahafanina ary mampalahelo indraindray ny mpanao politika malagasy ao amin'ny fanoherana. Misy ny te-ho deraina nefa tsy hita akory izay vitany. Tsy ny eto an-toerana ihany fa ny any Frantsa ihany koa. Namory olona ny "fanoherana" tao Parisy tamin'ny faran'ny herinandro teo. Raha ny akony dia tena feno hipoka ilay efitrano tao amin'ity "hôtely lehibe" toa fandehanan'ny ministra malagasy rehefa tonga any. Toa tena feno olona mihitsy raha ny fihaino azy. Ny antsasaky ny olona tonga tamin'io fivoriana io dia nitsangana avokoa.
Efa somary tara - toa ora roa taty aorian'ny fotoana nifanomezana, vao tena nanomboka ilay fivoriana. Tsy tena fantatra moa ny resaka tao fa azo inona fa mikasika ny raharaham-pirenena malagasy sy ny fihetsiky ny mpanohitra ary ny fisamborana nisinisy tato ho ato. Hay moa ity lazaina hoe feno hipoka ity ka olona valo no tonga tao. Ny efitrano saika nanaovana ity fivoriana dia efitrano kely ihany ary tsy nisy afa-tsy seza efatra fotsiny ka ny sisa dia nitsangana avokoa.
Tsy naharitra moa ny sasany tamin'ireo tonga tao fa dia nitsotra hoe tsy minisitra izy ireo ka hihafy amin'ity. Ary indrindra indrindra mba zavatra matotra no atao fa tsy sinema na zavatra an-taingina. Mila fahamatorana sy fahaiza-manao ny fanaovana politika. Raha te-hivoatra ny mpanohitra dia mijoro amin'ny fifampitokisana sy fanajana ny ora sy ny hafa aloha. Ny zava-misy aloha dia mifampiahiahy izy ireo satria tsy mibanjina ny vahoaka sy ny firenena fa toa mitetika ho minisitra. Angamba ny tokony ho jeren'izy ireo akaiky raha any Frantsa any rizareo dia ny fomba hanosehana ny fitondrapanjakana frantsay handoa onitra noho ny fanjanahana nandritra ny 60 taona nahazo antsika. Ny fanjakana italiana dia nanaiky handoa onitra amin'i Lybie noho io fanjanahantany io ; ary miliara maromaro amin'ny vola dôlara mihitsy.




Mitomandavana
Feno mpanao politika sy mpanongam-panjakana indray ny fonja iny herinandro iny. Tsy hiverenana lava eto ny momba ireo manamboninahitra toa an-dry Bôlô sy ry Henri Lecacheur.
Fanohintohinana ny filaminam-bahoaka anatiny sy fikasana hanongam-panjakana no vesatra hiampangana ireo olona ireo. Nahatratra ampolony ireo tafiditra etsy Tsiafahy sy Antanimora iny herinandro iny. Ady hevitra maro no mipetraka manoloana izany, satria maro no milaza fa raharaha tadiavina ny azy ireo. Tsy vitsy ihany koa anefa no manambara, fa izany ve no hambara ho tany mandala ny demokrasia ? Toa mampahatsiahy ilay tenin'ny mpitondra fanjakana ambony, volana maro lasa izay, milaza fa "ataovy ary tandremo sao mitomany", ity raharaha ity. Izay miana-kendry, dia ny fonja no saziny. Hampihemotra ny mpanohitra ve anefa ny tahaka izao ? Endrika iray toa mitory ny tsy fisian'ny ady hevitra malalaka eto ity fampidirana am-ponja lava ity. Nefa fepetra hentitra hitandrovana ny filamim-bahoaka ny toy izao ho hanatry ny hafa hoy kosa ny tsy tia gidragidra. Mitazana izao tranga rehetra izao ny vahoaka Malagasy, ary manara-maso koa ny firenena any ivelany, indrindra ireo mpiara-miombon'antoka. Hatreto aloha, dia mitoman-davana ny fampidirana am-ponja ireo olona nanana ny lazany teo aloha, izay zary sakaizan'ny fonja ankehitriny.




Fanadihadiana tao Antsiranana I
Tsy avela ho potehin'ny Politika ny tanàna
"Malahelo aho, raha isaky ny hiarin-doha ny tanàna no misy ny hetsika politika hanapotika ny kaominina. Aoka tsy ho faralahin'ny kaominina izahay eto amin'ity Antsiranana I ity". Io no nambaran'ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ao Antsiranana ity, ingahy Johary Houssen Alibay. Maro ireo tetikasa atao ao amin'ity kaominina ity, ary voalaza fa asa tsy vita nandritra ny 20 taona no efa andalam-pahavitana ankehitriny. Isan'io ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Antsiranana. Ny fanaovana làlana 5 km isan-taona raha kely indrindra ao an-tampon-tanàna. Voalaza fa efa ny 50% ny fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra no efa vita. Isan'ny mamampy betsaka izany ny fampidiran-ketra. Fantatra fa vola Ar 260 tapitrisa no niditra tao anatin'ny enim-bolana. Ny taha ambony indrindra ho amin'ity fampidiran-ketra ity teo aloha dia tsy nisy afa-tsy 34%, nefa ankehitriny dia efa tafakatra 55%. Mazoto manefa ny adidiny ny mponina satria mazava ny fomba fiasa. Hentitra ihany koa ireo mpanolotsaina ny tanàna amin'ny fanaraha-maso ny fomba fiasan'ny ben'ny tanàna. Ny làlana ho atao kosa dia mahatratra Ar 802 Tapitrisa. Famatsiam-bola avy amin'ny FER, ary vonona ny anjaran'ny kaominina Ar 82 tapitrisa. Ireo no voalaza fa ho votsotra eo ampelan-tànana raha toa ka mahazo vahana be loatra ao an-tanàna ny fanakorontanana amin'ny resaka politika. Kaominina isan'ny kely vola raha mitaha amin'ireo kaominina amin'ny renivohi-paritra i Antsiranana I. Manantena anefa fa handrombaka ny voalohany amin'ny fifaninanana kaominina mendrika izay karakarain'ny eo anivon'ny ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
Mifanome tànana
Misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny ambaratongam-pahefana isan-karazany. Miainga any amin'ny olom-boatendry, mipaka any amin'ny olom-boafidy. Tsy misy fijerena tavan'olona na firehana politika. Izay vonona hampandroso, dia miara-miasa. Ireo izay mihevitra ny hanakorontana kosa, dia handray ny andraikitray izahay, hoy ramatoa lehiben'ny Faritra, Anjara Manatsara. Miezaka ny ho voalohany izahay ato amin'ny faritra Diana, hoy ity lehiben'ny faritra ity, saingy ny ratsy koa tsy kely làlana. "Tsy aha-solafaka anay amin'ny tarigetran'ny fampandrosoana anefa izany". Nasongadin'ity lehiben'ny faritry DIANA ity ireo asa tsy maintsy atomboka ao Antsiranana, toy ny fametrahana ny rafi-pitsarana izay hitsara ireo antontan-taratasy rehetra, ka tsy alefa any amin'ny faritra hafa intsony. Ny làlana Ambilobe Vohemara efa atao. Ny ao Nosy be mihazo ny seranam-piaramanidina efa andalam-pahavitana. Hanana ny hampiavaka azy ity faritra ity rehefa tontosa avokoa ireo rehetra ireo. Antso avo no ataon'ity lehiben'ny Faritra ity ny hifantohan'ny vahoaka rehetra ho amin'ny fiovana. Io no antoka ahafahana manarina haingana ity faritra izay manana ny mampiavaka azy ity.




Nivadika ny rasa
Vitsy tamin'ireo mpitarika tolona nandritra ny raharaha 2002 no tsy tafiditra am-ponja amin'izao taona 208 izao. Maro izy ireo, ka tao no nandeha nampandry tany, ary tao kosa ireo nanentana olona isaky ny ministera, ary nilahatra tetsy amin'ny kianjan'ny 13 MAI.
Samy manana ny antony hitazomana azy am-ponja avokoa izy ireo, ary misy mbola hanohy ny figadrany hatramin'ny 2015. Ny resaka fikomiana amin'ity fitondrana nampetrany ity no hakamaroan'ireo voasazy. Asa na ny fomba fijery no samy hafa, na ny fizarana andraikitra no tsy nahafaly ny hafa ka nahatonga izao fidirana am-ponja izao. Niainga tamin'ny mpanao politika, ny zana-dambo, sy manamboninahitra, ministra nitana andraikitra ary nomena sehatra hafa avy ary niditra am-ponja no niafarany. Ny manamboninahitra sy ny depiote, ary mpitarika politika sy ny vadiny, dia saika nifandimby nandalo fonja avokoa. Ny fitsarana no tompon'ny teny farany amin'ny votoatin'ady isan-karazany nahatonga azy ireo ho tratran'izao fivadihan'ny rasa izao. Ny tsy azo lavina, dia ny mpiara-diha tamin'ny fitondrana teo aloha, dia vitsy sisa no mbola migadra toan-dry Kotity. Ireo nanao sesin-tany ny tenany kosa dia mbola any ivelany. Ny etsy Antanimora sy Tsiafahy ary Ambalatavohangy no misy ireto olona nambara fa saika hanogam-panjakana sy manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny ireto.
Tsy ho gaga isika raha maro amin'ireo mpanao politika te-haneho hevitra no mifatsika. Mamy ny miaina, ary vitsy no sahy manao sorona ny ainy. Firy tamin'ireo mpanao politika sahy naneho hevitra nefa tratrin'ny famonjana moa no mba notsidihan'ireo namany ankehitriny ? Eny fa na dia ny nanatitra sakafo indray mandeha aza. Ireo tsy mahandry ny fifandimbiasana ao anaty fifidianana sisa no mbola mikasa hitaona vahoaka andalam-be, nefa dia ireny niarahana nahita ireny indray ny tohiny toan'ny nahazo an-dry Lecacheur sy ny namany. Tsy vitan'ny kajikajy ambony latabatra tokoa ny fanaovana politika, fa mila mahari-pery amin'ny fandrindrana ny foton-kevitra hijoroan'ny fikambanana vao miroso amin'ny lafin-javatra hafa.




Fidiran'ny mpianatra
Hifanotofana ny boky tonta
Na dia kely aza ny elanelana, sitrany ahay vaza mihetsika. Io no teny miverimberina eny amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra miantsena etsy Ambohijatovo, mpivarotra boky tonta.
Lafo ny boky vaovao, ka ety no heverina fa mba mifanahatsahana amin'ny vola eo ampelan-tanana. Tsy dia lafo manao ahoana ihany koa ny vidiny. Ho an'ny ankizy any amin'ny kilasy fanombohana, Ar 3000 ny fianarana mamaky teny sy manoratra. Ny bokin'ankizy fianarana teny Frantsay kosa dia Ar 2000, ary arakaraky ny kilasy misy ilay mpianatra no maha-lafo na mora izany.
Sarangan'olona samy hafa no miantsena eny. Mbola azo ampiasaina ihany koa raha ireo fitaovana ampiasaina eny. Ho an'ny mpianatra eny anivon'ny kilasy famaranana ihany koa dia maro no mividy boky etsy Ambohijatovo. Raha ny resaka fohy nifanaovana tamin'ireo mpivarotra eny, dia voalaza fa tsy mbola nisy olana momba ny filazana fa boky halatra no amidin'izy ireo. Arovana ny tsena tsy ho tratrin'izay endrika ratsy izay. Mahalafo karazam-boky hatramin'ny 15 isan'andro izy ireo, ary ny boky ho an'ny zaza madinika aloha hatreto no tena mandeha.




Antitra mampiady kalo
Na eo aza ny fahanterana, ny raharaham-pirenena tsy azo adino. Nifoha tamin'ny torimasony ny ankamaroan'ireo zokiolona, izay hita fa olona efa nitana andraikitra teto amin'ny firenena avokoa. Ny hisian'ny vaha-olana haingana, mba hanamafisana orina ny filaminana, ahafahan'ny vahoaka miaina am-pahatoniana sy manatanteraka ny adidy manandrify azy mba hialana amin'izao fahantrana izao. Io no votoatin'ny fanambarana izay nataon'izy ireo ny talata lasa teo. Antitra mampiady kalo, hoy ny hafa ka tsy azo atao tsinontsinona ny hevitra navoitran'izy ireo tamin'izao fivoahana tamin'ny fahanginana izao. Manana fijery lavitra izy ireo. Mila mailo ny tsirairay eo anatrehan'izao zava-misy izao. Ny lafin-javatra niseho teto amin'ity tanànan'Antananarivo ity aloha hatreto no nanehoan'izy ireo hevitra, fa anio no voalaza fa hihaonany amin'ny mpanao gazety momba ny fiainam-pirenena amin'ny lafiny hafa.
Tsy azo kosehina eo amin'ny tantaram-pirenena ny fisian'ireto zokiolona ireto, ary manana andraikitra ny rehetra handray ny tolo-kevitra izay arosony. Ekena fa manana ny firehana politikany avokoa izy ireo, ary tsy zoviana amin'ny maro ny toerana misy ny sasany eo amin'ity sehatra ity, saingy aoka tsy ho avela ho fotsy rora raha sendra mba miteny.
Andraikitra goavana miainga aty amin'ny vahoaka, ary mipaka hatrany amin'ny mpitondra isan'ambaratonga ny mandinika izay voalazany. Misy raharaha tokony halamina eto, mba tsy hiverenan'ny savorovoro lava izao.




Filaharana vola
Tokony tsy ampijaliana ny beantitra
Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin'ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan'izy ireny ka amin'ireo fotoana fivoahan'ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n'ny volana sy ny faran'ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin'izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin'ny kaontiny. "Io aza tsy ampy" hoy ny sasany. "Tsy ajanonay ao ny volanay", hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny fandriampahalemana. Ao moa ireo nanokatra kaonty noho ny torohevitry ny mpampiasa azy ka tsy afa-miala na tsy mahalala loatra ny fampiasana banky aza.
Mba asio lalàna
Izany anefa no mitaratra ny fandrosoan'ny toekarena malagasy. Mora kokoa ny fikajiana ny fandaniana na ho an'ny banky io na ho an'ny mpanjifa. Manana tombony manokana anefa ny olona mampiasa banky satria saika ao ny banky mampisambotra vola amin'ny fotoana ilàna azy, toy ny fidiran'ny mpianatra, ohatra. Misy koa ny fandoavana mialoha ny ampahan'ny karama, na mbola tsy tafiditra amin'ny kaonty aza.
Izay ny an'ny mpiasa madinika manana kaonty amin'ny banky, fa raha hiverenana ny filaharana etsy ambony, dia ny mahakasika ny beantitra no hita fa mbola mampalahelo. Tsy ny banky indray ity fa ireo sampan-draharaha mizara ny fisotroan-drononon'ny beantitra. "Misy lalàna tokony ahitsy ao", hoy ny beantitra iray, dia ny mahakasika ity filaharana lava ity. Isaky ny fivoahan'ny vola izao dia ahitana beantitra torana am-pitsanganana noho ny havizanana. Tsy misy ny seza natokana ho azy ireny. Ny laharana anefa tsy maintsy vonjena vao mangiran-dratsy, na iray andro mialoha mihitsy. Io ilay lalàna takian'ireo masoandro efa hilentika, saingy tsy misy mpihaino.




Voly vary maro anaka
Miditra an-tsehatra ny mpanao Filma
Hifanotofan'ny vahiny i Madagasikara. Samy mitondra izay voatsirambin'ny tanany izay rehetra liana amin'ny fampandrosoana ity nosy ity. Andro vitsy lasa izao no nigadona eto amintsika ny mpanao filma malaza eran-tany dia ingahy Jim Carey.
Tsy hampianatra Filma an-dry Avoko na ry Volatiana sy ny hafa anefa izy fa hanome ny fahaiza-manaony eo amin'ny lafiny fambolena. Ny voly vary maro anaka no tena hifantohan'ny ity mpanao sary mihetsika ity, izay delegasiona maro izy ireo no tonga eto. Efa nitety faritra maro toy ny tany Ambatondrazaka izy ireo, ary nihaona tamin'ny tompon'andraikitra maro samy hafa, ka isan'io ny filoha Ravalomanana. Vonona ny lehilahy amin'ny fanatanterahana ny MAP. Isan'ny navoitrany io raha nitafa tamin'ny mpanao gazety. Maro no nahaliana azy tamin'ny hakanton'ny nosy sy ny ezaka vita teto. Izay no isan'ny nanolorany tanana ho an'ity nosy ity.
Firenena afaka mivoatra i Madagasikara, raha ampy ny tosika ho an'ireo teknisianina manome ny toro-marika ho an'ny tantsaha. Porofon'io ny fomba fahitan'itony vahiny mandalo eto, ny sehatra afahana mamokatra eto Madagasikara. Mitaky ny fampitomboana ny vokatra ny toy izao. Raha ny tsapa anefa dia misy ny finiavana eo amin'ny tantsaha, fa ny fitaovana no tsy ampy. Isan'io ny tsy fisian'ny lakan-drano manondraka ireo faritra ho volena. Na misy aza izy ireny, dia saika tototry ny atsanga ka tsy ahitana tombontsoa firy. Isan'ny ezaka ataon'ny kaominina maro ny manaisotra sy manadio azy ireny, isan'io ny etsy Talatamaty sy ny any amin'iny faritry i Itasy iny. Ny làlana ihany koa tsy lazaina intsony ka na be aza ny vokatra ny hamoahana azy no olana. Mino isika fa isan'ny ezaka goavana hipetraka ihany koa ny fijerena ifotony, ny sakana ho amin'ny fambolena eto, ka tsy hiandry vahiny lava izao, vao afaka ny hampitombo ny vokatra.




Nankaiza ny mpanao sonia sasany ?
Izay voasoratra dia voasoratra. Io no azo andikana ilay fanambarana nataon'ny zoky olona teto Antananarivo ny talata lasa teo. Nitohizany tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety omaly tetsy amin'ny La Rotonde Besarety izany.
Tsy niova ny fehin-kevitra noraisina tao, dia ny hijerena ny tombontsoan'ireo olona naneho ny safidiny teto Antananarivo renivohitra. Tsy hisy ahita tombontsoa amin'ny korontana, ary ilaina ny mifampihaino. Mijoro amin'ny maha-ray aman-dreny azy ireto zoky olona ireto, izay nahitana ny Pasitera Andriamanjato Richard, Gisèle Rabesahala, dokotera Manan'Ignace, Rakotovao Andriatiana, Madeleine Ramaholimiaso, Razakarimanana Ferdinand, Lalaina Bertnes, ary Razakarison Noelson.
Mijanonana ho mpanelanelana izahay, ary mila fitandremana ny tanàna. Izay no tsy maha-tafandry saina anay ireto, ary manana andraikitra amin'ny fanairana ny sain'ny rehetra mba hiara-handinika ny ho avin'ity tanàna ity, fa tsy sanatria hanapotika. Ireo no niverimberina nandritra ity fihaonana tamin'ny mpanao gazety ity. Midika io, hoy ry zareo, fa tsy miandany any amin'ny atsy na ny aroa izy ireo. Ny nanaitra ny maro, dia ny tsy nahitana an'ingahy Rakotomavo Pascal, Guy Willy Razanamasy, Rakotomahanina Ralaisoa Emile, Raharizatovo Gilbert. Fotoan-dehibe io, ka heverina fa tsy misy tokony hialana andraikitra amin'ny fiatrehena iny fotoana omaly iny, ary nanao sonia ilay fanambara avokoa ireo. Sa misy antony hafa ?




Antananarivo renivohitra
Manimba zavatra ny lonilony politika
Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin'ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna no miseho ankehitriny. "Ho potika ny zava-bitan'ny PDS teo aloha", hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an'ny dokam-barotra", hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin'izany, sady nisy rahateo ny sotasota nahazo ny orinasan'ny ben'ny tanàna amin'izao fotoana izao. Ka inona fa tsy ilay vinavinan'ny mpanara-baovao hoe"valifaty" no niseho. Tsy misintona ny sain'ny vahoaka loatra anefa izany ankehitriny satria raharahan'ny samy mpanambola. Ny hany tsikaritra amin'izao filomanosan'ny raharaha ao anatin'ny politika izao dia ny fikatsoan'ny raharaha sosialy. Tsy mba nisy fikojakojana ny zava-bitan'ny PDS teo aloha mandritra izao adilahy misy eo amin'ny kaominina sy ny fanjakana izao. Ny mpanohitra koa moa etsy andaniny dia manararaotra ny hafanan'ny raharaha. Hita taratra ny fahabangan'ny fotodrafitrasa eto an-drenivohitra, indrindra amin'ny alina. Zara raha voakarakara iny lalam-baovao Anosibe iny. Tsy misy mpanondraka intsony ny zaridaina, tsentsin'ny fako ny lakan-drano, miongotra ny andry sasany, ary mirodana ny rafitra biriky namefy ny zaridaina. Nesorina avokoa ireo jiro nanodidina ny farihin'Anosy, niala torak'izany koa ny etsy amin'ny sisin-drano eo amin'ny CENAM. Novàna noho ny hambom-po ny rafitra rehetra tokony ho no tohizana ka tonga amin'ny vinavinan'ny mpanara-baovao hoe "ho sasatry ny miarina..."
Saika ny zava-bita teo alohan'ny fampielezan-kevitra ireo noravaravaina ireo. Ny lonilony politika tokoa no nanimban-javatra !




« Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izao ahy. »
(I Korint. 15/10a)
Isaoranay Andriamanitra nanome anay an' i :
nandritra ny 93 taona
Izay niamboho ny Alarobia 3 Septambra 2008.
Hoy,
Ny Zanany :
RAHAROLAHY Edelyn sy Bakoly
ANDRIANONIVELO Daniel sy Sahondra (France)
RAZAKASOA Aina Jean sy Aimée
ANDRlANONIVELO Simon sy Arlie (France)
ANDRIANONIVELO Andriamparany sy Liliane
Ny Zafiny, ny Zafiafiny
Ny Iray Tampo aminy :
Terak'ltpkv RAVAOARIVONY Marthe
Vady aman-janak'ltpkl RAPARISON Samuel
RASOARINJARA Eugénie sy ny zanaka aman-jafiny
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'ltpkl RANDRIANONY sy Itpkv RAVAONORO
Ny havany, ny Fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato
Ny Fikambanan'ny Maintimolaly sy ny sakaizan'ny Sekoly Vinet
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Protestanta Tranovato Ambohimalaza Firaisana
Ny Fokontany Ambohitrakely, Andrainarivo-Ampahibe
Ny nofony dia hiala ao Andrainarivo Ampahibe lot Près II U 57 bis (ambany andrefan'ny Fiangonana FJKM Andrainarivo) ny Alahady 07 septembra 2008 amin'ny 1 ora sy sasany , ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato , alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany eny Ambohimalaza.




Rehefa nahatanteraka ny adidiny tety an-tany dia sitrak'Andriamanitra no niantsoany ny Mpanompony hody any aminy ny 04 Septambra 2008 :
Hoy,
Ny Vadiny :
RANDRIANARIVO Ramaroarisoa Odette
Ny Zanany :
RANDRIANARIVO Lanto sy Malanto
Dr RANDRIANARIVO Harinjaka sy Dr Nivo RANANJA
Dr RANDRIANARIVO Marosoa Vaohanitra sy Benja RAVALOMANGA
RANDRIANARIVO Vololona sy Justin (France)
RANDRIANARIVO Zo (France)
Ny Zafiny :
Aina Malala, Rova, Tsiaro, Ioty
Kaliana, Mianja, Marina
Dina, Sandy, Andonarivo, Ndriana Lalaina, Océane Faratiana
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Faculté de Médecine
Ny Ordre National des Médecins.
Ny Académiciens de Médecine
Ny nofony dia ho enti-miala ao an-tranony « AKANY FIARENANA » Lot BB 206 Beloha Ambohitrimanjaka ny Alahady 07 Septambra 2008 amin'ny 1 ora , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny Fasam-pianakaviana « NY NIAFARANA » ao Beloha Ambohitrimanjaka.




Be kenona
Tsy mety ho tapitra ity hambara ho fingana atao amin'ny kaominina eto andrenivohitra ity. Toa mankaleo ny hafa mihitsy ny mandre ny fitarainana isaky ny miposaka izao ny masoandro. Ny toby finatsonan'ny fiarakodia, sy ny fanagiazana ny vola no atao litania andro aman'alina. Fingana tsy ahafahan'ny ben'ny tanana miasa hono ireo. Hambara fa mipoitra indray ny resaka Samva izay tsy hidiran'ny kaominina intsony ny fiandraketana ny asa ataony. Dia inona indray ny fitarainana rahampitso ?
Te hisitona ny sain'ny betsaka ny lahatsoratra manoloana ireo hambara ho oditra akondro isaky ny mihetsika izao. Fa inona fotsiny no nametrahana ireo mpiara-miasa amin'ingahy Andry Rajoelina eo no tsy hamaha olana. Nambara fa olana ara-teknika io, koa handamina izany ve dia tsy vita ? Ny hery hafa rehefa mandray fahefana hitondra firenena, dia tsy maintsy misy ny olana. Matoa anefa niditra, dia efa mahazaka izany, na ho inona endrika hisehoany. Koa raha tsy maha-tafavoaka baolina ireto mpiara-miasa amin'ingahy ben'ny tanana ireto, tsy aleo soloina olona afaka misedra ny mafy ? Be kenona amin'ny fifandirana eto fotsiny isika, ka ahiana tsy ahavita asa ny farany. Vao valo volana izay no lasa, dia hifararemotra amin'izay mitranga foana ve ny ben'ny tanana rehefa tsy maha-vaha olana ny mpiara-miasa aminy. Ben'ny tanana no anarany fa tsy PDS. Midika io fa tokony ahavita ezaka goavana. Asa mafy izany mitondra tanana izany fa tsy natao hiadanana.




Famoriam-bahoaka
Nihemotra ny mpanohitra
Tsy nahazo alalana hanao famoriam-bahoaka ny mpanohitra anio. Ny antony dia efa misy mampiasa io kianja mitafon'ny mahamasina io ny asabotsy. Nisy ny fitadiavana vaha-olana nataon'ny tompon'andraikitra hafa eto amin'ny tanana hanomezana azy ireo ny ao ambadiky ny kianja mitafo, saingy nilaza indray ireto mpanohitra miara-diha ireto, fa aleo amin'ny manaraka fa mbola tsy vonona ?
Inona no anton'ity fihemorana tampoka ataon'ny mpanohitra ity, nefa efa nomena toerana malalaka haneho ny heviny ?Sa matahotry ny tsy ahazo olona ? Samy manana ny fandaminany avokoa ny rehetra amin'izay hetsika ho ataony, ka tsy hifanomezantsiny izany. Mampanantena kosa ireto mpanohitra ireto, fa hitohy tsy ho ela izany fanazavan-kevitra ataony amin'ny vahoaka eto andrenivohitra izany.




Sarimihetsika
"Ny vola no tsy ampy ", hoy Gégé Rasamoelina
Araka ny nambaran'i Gégé dia « ny vola no tsy ampy raha ho an'ny mpamokatra sarimihetsika eto an-toerana satria raha ny mpilalao malagasy hoy izy no alefa hilalao film any ivelany ka hiara hilalao amin'ireo mpilalao vahiny malaza dia tsy hitany izay mety elanelana. » Tsy ny filalaovana no olana amin'ny malagasy fa ny vola ho entina manatanteraka no tsy ampy ka izay no mbola tsy maha matianina tanteraka ny filma malagasy amin'ny ankapobeny.
Toro hevitra
Vita ny alarobia maraina lasa teo tao amin'ny CEMDLAC Analakely ny fihaonan'ilay mpilalao sarimihetsika vahiny tsy zovina amin'ny maro, Jim Carrey tamin'ireo mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika malagasy. Anisan'ireo nanatrika sy nitondra fitenenana tamin'izany i Gégé Rasamoelina izay sady mpilalao no mpamokatra. Araka ny nambarany dia nanome toro hevitra teknika vitsivitsy an'ireo ao anatin'ny tontolon'ny sarimihetsika i Jim Carrey.
Toerana mahafinaritra
Tamin'io fotoana io koa no nanararaotan'ireo trano mpamokatra nanomezana azy ireo vokatra Vcd vitsivitsy novokarin'izy ireo ka nampanantenan'ity mpilalao vahiny ity fa hanokanany fotoana ny fijerena azy ireo. Araka ny nambarany ihany dia tsy nazoana nametraka fiaraha-miasa tena matotra aloha ity fiahaonana ity satria tsy dia ny sarimihetsika loatra no nahatongavany teto. Nanambara koa moa i J.Carrey fa nahita toerana mahafinaritra azy izy eto amintsika ka izay no antony mety hiverenany eto Madagasikara anaovany ny sarimihetsika hilalaovany manaraka.
Navalona Rakotoaritiana




Toa very hasina
Manahirana ny miresaka momba ity fanamboarana ny fampianarana ity. Indrindra koa ny momba ity bakalorea teto Antananarivo teo ity. Tena vitsy ny teknisiana, mpampianatra sahy miteny. Ireo mba fantatra fa manana traikefa ary nihaina sy nivelona tamin'ny famoaham-boky hanampiana ny mpianatra hianatra amin'ny teny malagasy ireo taranja toa ny matematika na fizika dia tsy sahy miteny. Raha nanontaniana moa izy ireny momba ity fanamboarana ny fampianarana ity dia nilaza fa : « Tsy hitsara izahay na hoe mety io na tsy mety satria tsy fantatray akory izany fanamboarana izany fa mitovy amin'ny olon-drehetra. Tsy mba nantsoin'ny mpikarakara sy mpikotrika ity fanamboarana ny fampianarana ity izy ireny. Tsy nantsoina ary tsy nanontaniana hevitra na fijery na fomba mety hanamboarana ny fampianarana izahay. Vahiny angamba no namolavola izao fanamboarana izao ».
Ireo mpampianatra eny amin'ny ambaratonga ambony moa dia mangina fotsiny. Toa tsy misy sahy mamosaka hevitra. Toa mitsaoka ny mpanao gazety, mangataka andro. Ny sasany moa dia milaza fa tsy mana-kambara fa ireny efa voalazan'ny minisitra sy ny fanjakana ireny.
Tahaka ny mpitondra hangatahana vaovao na fanamarinana ihany koa ny fihetsiny. Efa mahazatra ny mpitady vaovao ireny fa ho an'ny mpamaky dia mahazendana.
Hoy ny olon-tsotra mpamaky gazety : « fa nahoana ianareo mpanao gazety no tsy maintsy miandry minisitra sy praiministra sy prezida sy mpanao politika, na miandry fiantsoana vao miresaka sy miteny ny olana sy vaha-olana sy ny zava-misy ? Toa afeninareo ny vaovao ; toa tsy omenareo afa-tsy ny vaovaon'ny mpitondra sy mpanohitra izahay. Ny hevitray, ny zavatra mahafinaritra anay sy manahirana anay na eny an-dalambe na any amin'ny birao izay alehanay ; ny tebitebinay sy ny hetahetanay, ny asanay, ny alavolinay, toa ataonareo ambin-javatra ».
Ny tena manahirana tokoa ny mieritreritra azy dia ity fahafahana maka ny vaovao any amin'ny misy azy. Eo anoloan'ny tranga iray dia mihazakazaka ny mpanao politika avy amin'ny an-daniny sy an-kilany handresy lahatra. Ny tekinisiana dia mihalangalana. Ary raha miteny aza dia raisin'ny maro amin'ny lafiny politika matetika.
Raha ny antontan'isa aloha dia mandoha vola ny fampiasana azy ao amin'ny sampan-draharaha misahana izany. Raha amin'ny toeran-kafa tahaka ny mikasika ny solika ohatra dia mivory lava izao tompon'andraikitra ao izao ; na aiza aleha na amin'ny orinasa tsy miankina na vahiny na teratany dia miandry aloha. Raha tsorina dia tsy te-hiresaka amin'ny mpanao gazety ny orinasa. Tsy te-hiresaka koa ny mpiasam-panjaka manana andraikitra fa matahotra. Tsy matahotra ny vahoaka mpandoha hetra fa matahotra ny lehibeny. Mety azo hinoana ihany amin'ny lafiny sasany. Ny tompona orinasa lehibe moa dia tsy sahy miteny mihitsy fa matahotra. « Fantatrao ihany », hoy izy ireny mamaly anao
Fa ny tena mahaketraka dia ireto mpampianatra ny zanabahoaka amin'ny sekolim-panjakana, hatrany amin'ny mpikarakara ireo garabola ka mandalo amin'ny mpitsara bakalorea ka hatrany amin'ny mpampianatra eny amin'ny oniversite. Toa very hasina. Toa tsy misy intsony ny maha mpanabe azy fa toa afa-baraka. Tsy manan-kevitra, tsy sahy mamosaka hevitra, tsy sahy miaro sy mijoro amin'ny heviny. Fa inona loatra no manjo ? Nefa fantatra izao fa tsy maintsy mana-kambara izy ireo na momba ity lazaina hoe « fanagasiana » ity na momba ny fanamboarana ny fandaharam-pianarana.




Mamono afo
Raikitra ny fivarotana vary mora eny anivon'ny fokontany. Amidy 950 ariary ny iray kilao. Mahazo izay ilaina ny olona tsirairay. Natao izao mba hanampiana ny mponina manoloana ny fidiran'ny mpianatra. Nisy nandika zavatra hafa anefa izao famarotan'ny TIM vary isaky ny fokontany izao. Mamono afo hoy ny sasany, satria manomboka mahamay ny raharaham-pirenena eto andrenivohitra.
Raha nanao fanazavana mikasika ity famarotana vary ity kosa anefa ireto antoko TIM ireto, dia nilaza fa efa ela no nanomanana ity famarotana vary ity. Saika fitaovam-pianarana no namidy mora, saingy efa nisy nanao izany, ka aleo vary. Porofo hoy ireto mpikatroka amin'ny antoko politika ireto, fa afaka mamaha olana ny TIM. Tsy voafaritra mazava kosa anefa hatreto na firy taonina no amidy, ary aharitra hafiriana no faharetan'io vary amidy mora io. Raha famonoana afo tokoa izao hetsika izao, tsy zaran'ny hafa aza ve hirehitra foana, mba ahafahany mahazo sakafo mora, raha samy manao toy izao avokoa ny mpanao politika rehetra ? Saingy hatreto aloha, dia tsy misy maniry ny hikorontana, satria mora ny mandrehitra afo, fa ny mamono azy no sarotra.




Fanehoan-kevitra
Tsy mila mpanakorontana ny TIM
Mitohy ny asa ataon'ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy voapetraka hatramin'ny faran'ny volana Oktaobra izao ny rafitra rehetra. Misokatra ho an'ny olona tsara sitrapo ny fampandrosoana, saingy tsy hiaraka amin'ny mpanakorontana. Io no nambaran'ny filohan'ny TIM Ivan Randriasandratriniony ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano.
Namaliana avy hatrany ireo resabe nandeha teto amin'ny tanàna tao ho ao ihany koa io fihaonany tamin'ny mpanao gazety io. Aoka tsy hialokaloka amin'ny tsy fahombiazana ny fitantanana ny tanàna ny resaka. Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany mitantanana tanàna izany. Mpanantanteraka no dikany. Tanteraho izay nampanantenana tamin'ny vahoaka. Ny tsapa, dia misy ny matahotra tsy ahavita ireo toky nataony tamin'ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra ho amin'izay ho ben'ny tanàna farany ireny. Rehefa teknika ny resaka dia teknika, fa aza laroina zavatra hafa. Matanjaka ny TIM hoy izy, ary porofon'izany ny finiavan'ny mpikambana maro mametraka ny lamina maty paika hampandrosoana ny faritra misy azy. Saro-piaro amin'ny tanàna ny vahoaka eto Antananarivo, ka tsy manaiky ho viravirain'ny mpanao politika. Momba ny fikasan'ny mpanohitra hidina an-dalambe kosa indray, dia tsy vaha-olana ny fangalana fahefana an-dalambe efa nilaozan'ny toe-trandro izany. Tonga saina ny Malagasy, ka tsy izay hitarika korontana dia ho harahiny avokoa. Nohamafisin'ireto mpikambana ao amin'ny TIM ireto, fa raha misy milaza azy ho saro-piaro amin'ity tanàna ity, dia mbola saro-piaro lavitra noho ireo ny TIM.




Korontana
Vono olona 35 ny enim-bolana voalohany
Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin'ity taona ity no nanangonana antontan'isa teny anivon'ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan'ny tranga nahian'ny mpitandro filaminana ka ny teto amin'ny manodidina an'Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian'ny Fianarantsoa no loha laharana tamin'ny taona 2007. Ny fari-piadidian'ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria mitentina ar 20 miliara any ho any no fahavoazana. Miisa 35 kosa ny ain'olona nafoy ka avy amin'ny fokonolona avokoa ny ankamaroany. Marihana fa ny faritra atsinanana, Boeny, Analamanga, Itasy no mitana ny loha laharana amin'ity tsy fandriampahalemana ity.
Samy nanjaka tamin'ireo faritra 22 eto amin'ny nosy ny tsy fandriampahalemana tao anatin'izay enim-bolana voalohany izay ka tao ny halatra omby, any amin'ireo faritra malaza amin'izany toy ny any, Boeny,sy ny faritra manodidina azy...Ny any amin'ny faritra SAVA moa dia ny voly lavanila no lasibatra tamin'ity. Iraisan'ny faritra rehetra kosa, indrindra ny aty ampovoan-tany, ny halatra taolam-paty, toy ny any Alaotra izay niverina indray tato ho ato. Ny vaky trano moa dia saika isam-paritra, indrindra amin'ny renivohitry ny tanan-dehibe. Nirongatra be koa izy io tato ho ato. Ny fanaparitahana zava-mahadonelina kosa dia tsy anavahana faritra. Saika isan'andro no nahasaronan'ny mpitandro filaminana azy ireny. Fanoitra ho an'ny mpitandro filaminana moa ny fanaovana jery todika tahaka izao. Inoana fa mitaky ezaka bebe kokoa ny zava-misy.
Ny tsikaritra tamin'iny tomban'ezaka iny dia arakaraka ny nihetsehan'ny mpitandro filaminana no nampirongatra ireo mpanao asa ratsy. Tsy hikoso-maso, ary tsy hitsitsy an'ireo tratrany anefa ny mpitandro filaminana.




Tohano tsara, tohano mafy
Nihiratra kely indray ny masom-panahin'ny mpitia baolina kitra Malagasy raha nandresy ny ekipa avy atsy Botswana ny Barean'i Madagasikara. Ekipa efa tsy nisy mpitsetra intsony raha ny avy eto Madagasikara, ka na ireo mpijery baolina malagasy aza, zara raha tonga nanohana ny antso.
Nandresy 1 sy 0 isika. Hiatrika ny dingana manaraka, izay heverina fa ho maozatra no miandry ny mpilalao Malagasy, satria ny ekipa avy atsy Côte d'Ivoire no sakana farany tsy hiakarana any amin'ny CAN sy ny Mondial 2010. Tsy tokony ho afa-po tamin'iny lalao iny isika, fa mila ezaka betsaka, indrindra ny eo amin'ny fampidiram-baolina. Ny fiarahan'ireo mpilalao mandrindra ny lalao eny ambony kianja. Ireo aloha hatreto no nandavo an'i Botswana, ka rariny raha mila fiomanan-tena mafonja sy matotra. Ilaina ny fanohanana ara-tsakafo sy ara-pitaovana, indrindra ny resaka moraly. Tsy ho sanatrian'izany, ka rehefa atomotra indray ny lalao manaraka vao hiantso mpilalao hafa hanatevina ny efa misy, ary hampiova zavatra hafa indray. Tohano tsara, tohano mafy ireo tanorantsika ireo, fa raha izay no tafita, dia azo antoka ny ahatafakatra antsika any amin'ny dingana manaraka.




Korontana niseho tao ho ao
« Sao mandrora mitsilany », hoy ny MFM
Mametraka ahiahy momba ny tranga niseho tao ho ao ny MFM. Ny antony, dia atomotra ilay fandraisantsika ilay fivoriana an-tampony hatao eto Madagasikara ny vola Jolay 2009 ho avy izao. Ny korontana eto anefa dia miseho ihany. Ny mpanohitra mitarika olona hidina andàlam-be, ny mpitondra kosa tsy mitsahatra ny mampiditra am-ponja ny tsy mitovy hevitra aminy.
Mandrora mitsilany isika, satria ny vola tokony ho nanaovana asa sosialy efa natobaka nanaovana ireo fotodrafitr'asa. Ny fivoriana anefa tsy ho raikitra, ka hiteraka sazy ho an-tsika izany. "Tokony hisy ny fifampihaonana eto mba hialàna amin'ny mety ho fihoaram-pefy" , hoy ingahy Rakotovazaha Olivier, mpikambana ao amin'ny birao Politikan'ny antoko MFM.




Antananarivo * Savorovoro politika
Tonga saina ny faritra iva
Tsy an-kiato intsony tao ho ao ny ankamely politika ifanaovan'ny samy "mahery" eto amin'ny firenena, indrindra ny eto Antananarivo. Misy fiantraikany amin'ny fiainana ara-piaraha-monin'ny vahoaka hatrany anefa ny tranga toy ireny, araky ny efa niainan'ny rehetra nandritra ireny vanim-potoana isan-karazany ireny, ka manomboka tsy ho voafahan-dalitra intsony ny eny amin'ny faritra be mponina eto an-drenivohitra, tondroin'ny mpahay ho faritra iva, amin'izao fotoana izao...
Tsy ho fitaovana
Tsy hanaiky ho fitaovana ara-tantara intsony ary izao ireo vato nasondrotry ny tany avy amin'ny faritra iva fa nivondrona, nanangana ny FVMT, Fikambanan'ny Vahoaka Madinika amin'ny Toerana iva, hahafahana mifanentana sy mifanazava mikasika ny raharaha lehibe eto amin'ny firenena Efa nahatsangana sampana isaky ny boriborintany eto Antananarivo ny tompon'andraikitra, ankehitriny, ary efa eo ampandinihana ny hanitarana ny hetsika any amin'ny faritra hafa nohon'ny fangatahan'ny mponina any. Maro mantsy, hoy ireo nifandray tamin'ny FVMT, ny toerana mitovitovy fahavoazana amin'ny faritra iva eto an-drenivohitra, any amin'ny faritra isan-karazany any ka tsy tokony ho ferana ho eto Antananarivo fotsiny ny tombontsoa ho azon'ny madinika amin'ny fahafaha-mahalala ny zavamisy amin'ny raharaham-pirenena avo lenta avy amin'ny fanazavan'ireo havanana ao anatin'io fikambanana io.
Mandefa antso
Samy maneho ny heviny ny ankolafy isan-karazany tato ho ato, hoy ny FVMT, ka fotoana ilana ny mpanao politika fantatra ho mpiaro an'Antananarivo toa an-dry Alain Ramaroson sy ireo tanora tia tanindrazana, mpiaro ny teny amin'ny 13 mey toa an'ireo miaramila mpampandry tany (rezervista) sy ny mpanao fanatanjahantena (kung fu, karate...) izao diavina izao, hivoahan'ny tena foto-kevitra marina amin'ny fifampitondrana hiainana eto.




Andry Rajoelina
Tsy ekena ny jadona
Nivoaka ny fahanginana i Andry Rajoelina omaly hariva. Notanisainy ireo « antsojay » sy ny « tsy rariny » mihatra amin'ny tanànan'Antananarivo. Avy eo nanindry mafy izy fa « jadona » no iainan'ny olomboafidy eto an-drenivohitra. Henjana tokoa ny teniny ary nampitroatra azy ny fidinan'ny minisitry ny Rano teny Andralanitra nanamafy fa « eo ambany fitantanan'ny ministera ny SAMVA manomboka izao. » Sampan-draharaha momba ny fanadiovana ny tanàna ny SAMVA ary ny Ben'ny tanàna hatrizay no filohan'ny filan-kevi-pitantanana. « Lalàna ny nametraka ny SAMVA ka tsy tokony ho didim-pitondrana na fanapahan-kevitra tsotra no manafoana na manova azy », hoy i Andry Rajoelina. Nokianiny koa ny « fivarotan'ny Tiako i Madagasikara vary eny amin'ny Fokontany » nanomboka tamin'ity herinandro ity. Nametra-panontaniana moa izy hoe « afaka mivarotra vary koa ve izany izao ny antoko hafa (ankoatry ny Tim) ? » Sy koa hoe « tsy efa fanesorana tanteraka ny sefom-pokontany tsy ho eo ambany fiahian'ny Ben'ny tanàna (ve) izao tranga izao ? »
Fingana
Enina (6) no isan'ireo fingana sy olana notanisain'i Andry Rajoelina niainany sy ny ekipany hatrizay nitondrany ny tanàna izay. Voalohany amin'ireny ny fanesorana ny Sefom-pokontany tsy ho eo ambany fiahiana sy tsy hotendren'ny Ben'ny tanàna intsony. Ao koa ny fibodoan'ny Fanjakana ny volan'Antananarivo, amin'ny alalan'ny Trésor. Avy eo ny fitakiana ny trosan'ny kaominina hatramin'ny taona 1980. Manampy izany ny ady saritaka momba ny fiantsonan'ny « taxi- brousse » ao Ampasampito, ary farany, ny fanendahana aminy ny fitantanana ny SAMVA. Mbola nilaza « olana marobe » hafa moa izy fa tsy nanambara mivantana hoe inona izany. Nitodika manokana tamin'ny mponin'Antananarivo i Andry Rajoelina teo ampamaranana : « ny mpifidy sy fifidianana malalaka no nametraka ahy eo amin'ny fitantanana ny tanàna. Koa midika ho tsy fanajana ny safidiny ny fanaovana antsojay ataon'ny Fanjakana amin'ny Ben'ny tanàna eo amin'ny asany ».
Nangonin'i R. C.




Tsy ampy serasera
Mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny dotandroka eo amin'ny kaominina sy ny fanjakana. Isaky ny miposaka ny masoandro, dia mifanontany tena ny rehetra, hoe inona indray no hiseho ?
Tsy hidirana lalina eto androany ny karazana toreo ataon'ny eo anivon'ny kaominina, fa ny azo ambara, dia aleo hiseho fanta-bahoaka ny andraikitra sahanin'ny kaominina. Tsy ampy ny serasera miampita any amin'ny vahoaka, ka mifangaro voroka be ihany ny fomba fahitan'ny maro ity raharaha ity. Samy manamafy ny andaniny sy ny ankilany fa resaka teknika io, ka mila vahana amin'ny resaka teknika. Rehefa mitranga anefa ny disadisa, dia avadika ho resaka politika indray, ka ny fampiasana ny andinin-dalàna maro samy hafa no hifaninanana. Maha-menatra ity fifandonana ara-kevitra isan'andro eto ity. Malagasy heverina fa mahay mifandamina no indro fa mifampihantsy isan'andro vaky izao. Dieny mbola tsy mitatra zavatra hafa ny raharaha, dia tokony hipetraka ny fahaizana mihaino, sy mampita hevitra. Alavirina ny fifampihantsiana. Aoka ihany koa tsy ho atao tompon-trano mihono ny vahoaka, fa rehefa madio ny resaka, dia mizotra milamina ny asa.




Kaominina sy fanjakana
Alamino sao mikorontana, hoy Ramampy Zenaïde
Raha tena mipetraka eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina ny fitiava-tanindrazana, dia tokony ahay hifandamina izy ireo. Tsy izao fifandirana isaky ny masoandro miposaka izao no heverina fa ahafahana mampandroso haingana ny tanàna. Io no fanambarana nataon-dramatoa Ramampy Zenaïde, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha ary mpikambana tao amin'ny TIM. Matahotra ny hisian'ny korontana ny tenany, satria toy ny vao omaly ny zava-nitranga nandritra ny raharaha 2002 ireny. Izao sahady ve dia averina indray ireny ? Ny mitondra kaominina dia mitondra vahoaka. Toy izany koa ny mitondra firenena. Tsy hisy ahita fahasoavana amin'ny tanàna mikorontana sy miady lava eo, ka tsara raha mifanantona haingana ny andaniny sy ny ankilany. Mino anefa isika fa olo-kendry avokoa ireo, ka ahatsapa ny halehiben'ny tanindrazana iombonana, ary hametraka ny hambom-po any anjorom-bala.




Lasa jono i Andry TGV
Rehefa tsy Antananarivo no mihetsika, zava-poana izay kasaina atao. Tsy ho gaga amin'izany isika, satria Antananarivo no Renivohitry Madagasikara. Mitranga ny olana eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina eto an-drenivohitra. Samy naneho ny heviny ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, ary farany teo dia ingahy ben'ny tanàna, Andry Rajoelina mihitsy no nampiakam-peo.
Tsy hiverenana ny amin'iny, fa tsapa kosa dia ny fidiran'ny hery politika isan-karazany amin'ity resaka ity. Tsy azo atao ambanin-javatra izany, saingy ny mampalahelo, dia ataon'ny mpanao politika ho fitaovana handrombaham-pahefana indray ny Tanànan'Antananarivo. Lasa to ne fitaovana hanjonoana ny fon'ny mponina eto ny raharaha, ka maro ny mpanohitra milaza fa tsy azo ekena intsony izao mitranga izao, ary dia tarihina hidina an-dàlambe ny vahoaka. Io fikitihina ny fahefan'i Andry, ben'ny tanàna, io no hitan'ny hafa ho làlana hidirana hanentanana ny vahoaka hikomy amin'izao fitondrana izao. Hita io amin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpanohitra maro tamin'ny mpanao gazety nandritra ity herinandro ity. Ho voajonon'ireto mpanohitra ireto amin'izany ve ny vahoaka eto Iarivo ? Raha tratry ny olana toy izao ny tany Toamasina sy ny tao Fianarantsoa, tsy dia mba hita naneho hevitra firy ny Mpanohitra miara-dia sy ny CRN ary ny hafa. Ankehitriny anefa, toa laroina karibonetra ny raharaha, mba hampalemy ny sain'ny mponina eto. Ho hita eo ny tohiny, fa asakasaky izay mety ho ataon'ny olona kankana, mba hampahomby ny tetika hataony. Ankilan'izay, mba hahay hiaino sy vonona hifampidinika handaminana izao olana izao ve ny fanjakana, sa hinia hangina amin'izay fanampahan-kevitra efa noraisiny ?




Fanondranana hazo
Kaontenera maro tavela ao Toamasina
Kaontenera maro mitondra hazo haondrana any ivelany no tavela ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina nanomboka tamin'ity herinandro ity. Ny antony, niova ny fomba fiasan'ny minisiteran'ny Tontolo iainaan sy ny Ala. Tsy haingana toy ny hatramin'izay intsony fa nitarazoka andro maromaro vao vita avokoa ny fanarahamaso rehetra. Raha ny fombahatramin'izay hoy ireo mpandraharaha mpanondrana hazo, rehefa tonga ao Toamasina ireo hazo, toy ny sapin, dia iray andro ihany no atao ny fanarahamaso, "phytosanitaire" sy ny fanomezana "certificat d'origine", ny fandoavana "redevance".
Mitarazoka ny asa
Vita izay dia azo ampidirina anaty sambo avy hatrany ny entana. Tsy izany intsony ankehitriny fa lasa nitarazoka hatramin'ny herinandro mihitsy. Vokany, mitombo betsaka ny vola haloa amin'ny fametrahana ny entana ao amin'ny seranan-tsambo, ny sambo tokony hitondra azy tsy maintsy mandeha fa tsy afaka miandy akory, izany hoe tara sambo amin'ny fotoana nifanarahana ny hazo ka miandry fotoana hatramin'ny 15 andro mihitsy . Ny mpiara-miombonantoka mandray ny hazo atsy amin'ny Nosy Maorisy, izay toerana handefasana ny hazo mety miala satria tsy nanaraka fe-potoana ny mpandraharaha malagasy, nanafarany entana.
"Matiantoka izahay", hoy ny fitarainan'ireo mpandraharaha ireo. Mety tsy handray ny entana intsony ireo mpandraharaha. Tsy hoe hazo sarobidy, mitaky fanaraha-maso hentitra akory no haondrana fa hazo tsotra kanefa hasarotina ny rehetra. Tokony hafainganina aza ny fombafomba takiana amin'ny fanondranana amin'izao fidirana amin'ny SADC izao satria henjana ny fifaninanana. Tsy i Madagasikara irery akory no manana hazo toy ny sapin sy ny kininina ka miova firenena hafa indray ireo mpanafatra raha misy ny fahasahiranana tahaka izao. Niova mantsy ny talemparitry ny Tontolo iainana sy ny Ala ao Toamasina ka izay koa no mety mahatonga ny fahatarana, hoy ihany ireo mpandraharaha ireo. Kaontenera hatramin'ny roapolo no mihitsoka ao Toamasina amin'izao fotoana izao.




Bazary Ankirihiry
10 tapitrisa Ar. avy amin'ny filoha nasionaly TIM
Vola mitentina 10 tapitrisa Ariary no natolotry ny filohan'ny Antenimieran-doholona no sady filoha nasionalin'ny antoko TIM, Yvan Randriasandratriniony, entina hanampiana ireo olona traboina noho ilay haitrano mahatsiravina nitranga tao amin'ny bazary Ankirihiry, ny alarobia faha 10 septambra 2008 . Nampahery ireo fianakaviana maro niaran-doza ny tenany ary nankasitraka ihany koa ny fisian'ny firaisan-kina teo amin'ny mpitondra fanjakana any an-toerana nifanome tànana sy tsy nikely soroka tamin'ny fitadiavana ny vaha olana rehetra entina nanampiana ireo niaram-boina.
Hafatra avy amin'ny Filoham-pirenena
Taorian'ny fisaorana manokana ny filoha nasionalin'ny antoko TIM tamin'izao fihetsika feno fifankatiavana nasetriny ny vahoakan'i Toamasina izao, dia nitondra hafatra manokana avy amin'ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ny minisitry ny Fitaterana sady mpiahy ny faritra Atsinanana, Botozaza Pierrot. "Mankahery antsika mandrakariva ary manaraka akaiky izao fahavoazana izao ny filoham-pirenena". "Amboarina ity toerana ity ka izy no hitondra izany". Nambaran'ny minisitra moa fa hanome fomba malaky hanatsarana ity toerana ity ny filoham-pirenena mba hananany endrika manara-penitra, na eo amin'ny lafiny tsena izany na amin'ny fonenana ihany koa
Taorian'ny fijerena akaiky ny toerana nisy ireo trano may an-jatony tao Ankirihiry, dia nizaha ny ampahany amin'ireo traboina mitoby eny amin'ny kianja mitafo "Soavita" ny filoha nasionaly TIM sy ny minisitra mpiahy, notarihin'ny lehiben'ny faritra Atsinanana, Andriamorasata Julien sy ny loholona, Bezara Manasé, niaraka tamin'ireo mpitondra isan-tsokajiny eto an-toerana.




Taratasin'ny mpamaky
An'ny rehetra
« Fanontaniana kely mikasika ny fanagasiana. Maheno sy mamaky foana amin'ny gazety aho ilay teny "génération sacrifiee". Inona marina ilay sacrifice ? Tsy nahay teny frantsay ve ny "sacrifice" na sorona sa tsy nandroso mihitsy isika satria tsy nahay teny frantsay. Sao kosa tamin'iny fotoan'andro iny tsy nandeha ny toe-karena ka voa daholo isika mianakavy. Ny tiako lazaina dia hoe raha tsy nisy ny fanagasiana izany dia tsy nisy ny sorona. Raha ny fahazoako azy izany dia ny sorona (sacrifice) goavana dia ilay tsy fahaizan'ny olona tamin'io fotoana io ny teny frantsay.
Amiko anefa ny sorona lehibe indrindra izay nanomboka tamin'ny 1896 fotoana nahavoazanaka an'i Madagasikara dia ny tsy fahafahantsika mijery ny hoavintsika afa tsy amin'ny alalan'ny teny Frantsay. Io no tena sorona ary tsy "génération" iray no lasa sorona fa isika mianakavy tsy mahay mijery ny ho avy afa tsy amin'ny alalan'ny "solomaso" frantsay.
Tsy afaka be resaka aho satria hoy ny sasany hoe "ka ianao tsy niarany ka". Marina izany saingy hatramin'izao tsy mankaiza loatra ny fahaizako ny tenin'i La Frantsa reny malala ary nataon'ny sasany fiomehezana aza tamin'izaho nandalo tany Frantsa kanefa dia tsy hitako loatra ny tombony na fatihantoka mahay ny teny Frantsay. Afaka miresaka amin'ny Haitiana miteny Frantsay aho eto Miami.
Nety ho tsara ho ahy kokoa ny niteny espagnol satria feno Kiobana eto. Tsy misy firy ny boky na lahatsoratra amin'ny teny Frantsay ao amin'ny taranja misy ahy. Ny tantara mihodina foana : ao aoriana ao hihena koa ny herin'ny anglisy fa ny sinoa no ho avy. Efa be ny olona aty no mampianatra ny zanany teny sinoa ary efa lasa programa any amin'ny sekoly maromaro ny teny sinoa.
Mety ho lasa sorona indray ny "génération" ho avy satria nifikitra tamin'ny teny frantsay izay teny nanjaka tamin'ny taon-jato faha valo ambin'ny folo fa tsy nisokatra tamin'ny teny ilaina amin'ny taon-jato fa iraika ambin'ny roa-polo (anglisy, sinoa,...). N'inon'inona anefa ny taon-jato misy, malagasy foana isika ka noho izany ny teny malagasy tsy maintsy ampianarina foana. N'inon'inona ataonao tsy ho vazaha mihitsy ianao ary ny vazaha aza hilaza an'izany aminao ».
Mandra-panoratra.
Jaona




Kaominina eto andrenivohitra
Hitokona ireo mpiasa voahilikilika
Ny etsy miravona, ny olana hafa mipoitra indray. "Rehefa tsy hisy fitsimbinana ny momba anay mpiasa, dia mety hiafara amin'ny fitokonana faobe izy ity". Io indray no nambaran'ireo mpiasa eo anivon'ny kaominina Antanananarivo renivohitra.
"Tafiditra hatrany anatin'ny asanay ny resaka politika, ka napetraka anjorom-bala izahay mpiasa efa niasa amam-polo taona maro". Ny fitakiana ny hampiakarana azy ireo ho ELD no fiandohan'ny resaka. 5 taona niasana ny kely indrindra, nefa mbola ECD ihany hatramin'izao. Misy kosa anefa mpiasa vao nampidirina 3 volana lasa izay, dia efa ELD, araky ny nambaran'ireto mpiasa ireto. Ireo niandraikitra ny tsena teo aloha dia mandray karama isam-bolana fa tsy omena toerana hiasany. "Mpiasam-panjakana izahay ary vonona ny hanondrotra ity tanàna ity, nefa toa kilasian'ny mpitantana eo anivon'ny kaominina ho olon'ny antoko politika". Mahatratra 2700 no isan'ny mpiasa eo anivon'ity kaominina ity, ary vonona ny hifampidinika amin'ny ben'ny tanàna mba hanatsara ny fiainan'izy ireo eo amin'ny sehatry ny asa. Efa nisy ny dinika natao tamin'ireo tompon'andraikitra akaiky ny ben'ny tanàna, "saingy toa rano nararaka an-damosin-gana ny alahelonay hatreto". Rehefa tsy mahita vaha-olana matotra ireto mpiasa ireto, dia mety hiroso amin'ny dingana manaraka izy ireo. Mitovy hevitra amin'izany avokoa ve ny mpiasa rehetra ao ? Ho hita eo ny tohiny, fa ny azo antoka dia hiditra amin'ny sehatry ny kizo indray ny kaominina raha toa ka miroso amin'io fikasana io ireo mpiasa ireo.




Sasanangy mitovy
Afaka ny gadrako. Io no sento tokana tao an-tsain'ingahy Henri Lecacheur, saingy mbola misy sazy mihantona telo volona lolohaviny taorian'iny didy nivoaka iny. Malalaka amin'ny fanehoany ny didy avoakany ny fitsarana, ary tsy hisy afaka hanelingelina azy amin'izany.
Lasa ihany anefa ny saina nahita iny fanapahan-kevitra nivoaka iny. Fanohitohina ny filaminana anatiny sy fitarihana vahoaka andalam-be tsy nahazoana alalana no vesatra niampangana azy. mItovy tsy nisy valaka tamin'ny nahazoan'ingahy Victor Wong filohan'ny OFPACPA taona maro lasa izay teo amin'io kianjan'ny 13 Mai io ihany. Nihina am-ponja nandritra ny telo taona ny tenany tamin'izay.
Sasanangy mitovy ireo, hoy ny mpitazana,nefa iny no vokatry ny fitsarana. Madio amin'ny didy avoakanay izahay hoy ny fitsarana. Lasa ny saina hoe ny mpisolo vava azy roalahy voatonona etsy ambony ireo ve no samy nanana ny fahaizany manokana, sa efa nilaozan'ny toetrandro ny famonjana mpitarika vahoaka andalam-be toy ny nataon'ingahy Henri Lecacheur ? Tsy ho diso ny fomba fijerin'ny vahoaka hafa hilaza hoe sao mba misy sinema indray ao ambadika ao ? Ny fonja anefa tsy filalao, koa arahabaina ny mpitolona tafavoaka ny fonja tao anatin'ny fotoana fohy.




Toamasina
Nirehitra koa ny Esplanade Bazar-kely
Tsy afa-bela mihitsy ilay renivohitra ara-toekaren'I Madagasikara. Nirehitra nanomboka tamin'ny 8ora sy fahatelony,omaly alina, ny Esplanade Bazar-kely, aorian'ny Tranoavo. Nisahotaka ny rehetra. Ny mangorona entana mangorona entana. Ny mangalatra manao ny ataony. Ny mpamonjy voinan'ny kaominina, ny zandary, polisy kaominaly sy nasionaly, miara-misalahy amin'ny famonjena indray no sahirana amin'ny famitana ny asany.
Niezaka ny hamono ny afo ny mpamonjy voina, satria dia nitatra be izay tsy izy. Araka ny siosion-dresaka aloha, dia teo akaikin'ny mpivaro-damba sy mpivarotra satroka no niantombohan'ny loza. Nisy ny trano tsy maintsy narodana mba tsy horaisin'ny lelafo.
Araka ny fantatra dia maro ny mpivarotra eo amin'io Esplanade io no lay fotsiny no velarina hivarotana, kanefa kosa maro koa ireo trano andrasan'ny mpiambina ihany amin'ny alina.
Amin'ny ora nanoratanay, dia tsy mbola fantatra ny tetibidin'ny entana very na ny vokatr'ity loza vaovao ity indray, fa ny afo kosa no voafehy. Nanampy betsaka rahateo ny orana be nirotsaka ny marainan'ny omaly.
Araka ny vaovao hafa azo avy any an-toerana kosa anefa dia tonga teo ny mpamono afo avy ao amin'ny Kaominina saingy ireo avy amin'ny ASECNA no namono ny afo. Toa mampiomehy, hoy izy ireo fa izany no zavamisy.




Do-tandroka
Tsy hisy fanjakana hanome bala hitifirana ny tenany. Dia mandeha ny resabe. Ny mangina amin'izao tsy mety, ka dia alefa avokoa ny do-tandroka hisehoana eo imason'ny mponina fa vonona ny hitarika ny vahoaka tsy hanaiky ny tsy rariny ny mpanohitra. Tsara rehefa tsy manaiky lembenana, ary dia nitazana izay ho fihetsiky ireo mpanohitra ny vahoaka. Tsapa anefa fa manjaka ao amin'ireto mpanohitra ireto ny hakanosana. Ny antony dia mety ho ny tahotra ny tsy ahazaka olona na ny fisamborana miafara amin'ny fanagadrana.
Ny sabotsy lasa teo, dia tsy nahazo alàlana hampiasa ny Kianja mitafon'i Mahamasina ireto mpanohitra ireto. Nomen'ny teo anivon'ny kaominina Antananarivo Renivohitra hamory vahoaka ao ambadiky ny Kianja mitafo ry zareo, saingy nilaza indray fa mbola tsy vonona ? Notohizana ihany anefa ny fangatahana alàlana hamory vahoaka, ary tsy nanome alàlana indray ny Préfet de Police eto an-drenivohitra. Niaka-peo ireto mpanohitra miara-dia ireto ny alakamisy teo, fa tsy maintsy hamory vahoaka omaly maraina. Niala maina ireo olona nanaovana antso avo, satria dia ny filazana fa hanaja ny ara-dalàna no natao, ary mbola hangataka alàlana amin'ny manaraka indray. Moa mba fantatry ny mpanohitra fa tsy hanome alàlana olona hanongana azy mihitsy ny fanjakana ? Tsy fampirisihana ny mpanohitra hanao amboletra io, fa aoka tsy do-tandroka no atao betsaka fa fantatry ny vahoaka foana ny tena mpitolona sy ny fisehoana ivelany.




Fanovana ny Fanabeazana
« Roso, tsa mipody intsony ! »
Vonona ny fanjakana sy izay sekoly hampihatra ny fanovan-drafitra, "ary tsy hijanona raha tsy tody hatramin'ny farany. Fanabeazana mitodika amin'ny famolavolana olom-pirenena afaka mamakafaka sy mandanjalanja, mikaroka sy manatsara hatrany ny zava-bitany ka hahatonga azy ho mpikatroka tompon'andraikitra, ho fampandrosoana ny faritra misy azy sy ny tanindrazana iombonana".
Vonona ihany koa ny fitaovana, ka boky 790.000 ho an'ny T.1, ary 702.000 ho an'ny T.6 no voatonta sy hozaraina amin'ny mpianatra dieny ity taom-pianarana ity. Efitrano fianarana 1.000 kosa no an-dàlam-panamboarana handraisana azy ireo sy eny amin'ny toerana tsy ampy fotodrafitrasa.
Zava-dehibe ny tenim-pirenena
Mpampianatra 2800 no nahazo fiofanana, teny amin'ny toeram-panofanana miisa 16 manerana ny Nosy. Natolotra azy ireo ny taratasy didim-panjakana manendry azy tsirairay amin'ny toerana hiasany. Miroso avy hatrany amin'ny fampiasana ny tenin-dreny ho fitaovana ianarana ny sekoly malagasy. "Zava-dehibe tenim-pirenena", hoy ny filohan'ny Repoblika, Ravalomanana Marc. Ankoatra ny fahaiza-mitariky ny tompon'andraikitra, dia hitoetra tanteraka ny fahatokisan'ny mpampianatra eo amin'ny fampitana ny fahalalàna amin'ny ankizy beaziny. Torak'izay ihany koa, afaka hifandray ny ray aman-dreny sy ny zanany".
Nohazavain'ny minisitry ny Fanabeazana, Ralambomanana Stangeline, fa isan'ny sakana teo amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ny tsy fitovian'ny teny ibeazana any an-tokantrano.
Resy lahatra ny mpiara-miombona antoka
Fanabeazana ho an'ny rehetra no tanjona, ka toerana lavitra sy saro-dàlana indrindra amin'ny Cisco 20 amin'ireto distrika ireto : Ambalavao, Ambositra, Ambanja, Ambatolampy, Amparafaravola, Ankazobe, Antanifotsy, Antsohihy, Betroka, Fandriana, Fenoarivo Atsinanana, Mananjary, Marovoay, Moramanga, Nosy-Be, Sakaraha, Soaviandriana, Vatomandry, Vohipeno, no hampiharana ny fanovana. "Nilaozan'ny toetr'andro ny rafitra teo aloha ary tsy maintsy hampifanatonana amin'ny tanjon'ny fampandrosoan'ny taona arivo fahatelo."Vola mitentina 85 tapitrisa dolara no enti-manana amin'ny fanovan-drafitra ary 27 tapitrisa dolara isa-taona kosa no efa azo antoka fa hatolotry ny mpiara-miombona antoka mandra-pahavitan'ny fanovana eny anivon'ny Cisco 111 manerana an'i Madagasikara".




Lesona ireny !
Tsy nanaratsy ny olon-kendry sy ireo raiaman-dreny avy aty amin'ny fiaraha-monim-pirenena fa nankasitraka ny fihetsiny i Andry Rajoelina. Nefa koa tsy nanao tsinontsinona ny raiaman-dreny sy zoky filoham-pirenena fa nihaino, nifandresy lahatra ary nijery izay tombontsoa iraisan'ny tanàna sy ny firenena izy. Ary raha ny fihainoana azy aza dia toa hita fa nanampy azy - na ho an'ny sasany - niaro azy mihitsy ny filoham-pirenena. Toa tena raiamandreny mpihaino sy mpitady vaha-olana sy zanaka mitaraina mihitsy no nihaona rehefa samy variana tamin'ny asa aman'andraikitra andavanandro tany. Toa izany no fandraisan'ny olon-tsotra ny fiafaran'ny resaka Kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny fitondram-panjakana Raha nihaino ny fandaharana "Invité du Zoma" an'i Onitiana Realy tao amin'ny TV Plus tamin'ny zoma lasa teo sy namaky ny gazety sasantsasany nitantara ny zava-miafina mialoha ny fihaonana tao Ambohitsorohitra ny zoma teo, dia tsapa fa misy fihavanana tandrovina sy kajian'ireo tompon'andraikitry ny tanàna sy ny firenena. Ary tsy very ny maha-malagasy raha izao.
Marina fa misy ny tsy fitoviam-pijery. Marina ihany koa fa samy may amin'ny maha-poritra azy saingy rehefa nifampihaino sy nifanazava dia toa nanome baiko mihitsy ny filoha Ravalomanana fa ireto sy ireto dia tsy maintsy tanterahan'ny mpitondra ao amin'ny governemanta ary apetraka eo ambanin'ny fahefan'ny Ben'ny tanàna. Na marimarina kokoa haverina ho tantaniny.
Raha ho an'ny sasany dia nihemotra ny fanjakana, ho an'ny sasany kosa dia narovana Antananarivo sy ny mpitondra ny tanàna. Arovana amin'ny inona ? Arovana amin'ny fandriky ny mpanao pôlitika. Misy tokoa mantsy ireo mpanao pôlitika, na avy amin'ny fitondrana TIM na avy amin'ny fanoherana isan-karazany, no miandry kendritohana fotsiny handrombahana fahefana ary hanitsahana ny safidim-bahoaka. Ao ireo maro nisafidy ny filoha ankehitriny ary ao koa ireo nisafidy ny Ben'ny tanàna ankehitriny. Samy mpandraharaha ireo ary samy maneho fahavononana ny amin'ny ho avy tsaratsara kokoa hatrany na ho an'ny tanàna na ho an'ny firenena.
Ho an'ny maro aloha dia fahendrena ny nasehon'ny filoha teo anatrehan'ity raharaha ity, nampiantso ny zandry zanaka, nihaona sy niresaka ihany koa tamina raiamandreny hafa vao nanapakevitra. Fahendrena koa ny an'i Andry Rajoelina tsy nanaratsy ny fitondrana fa niezaka nanazava ny fijery ary dia nivaha ny olana. Ny tena nahian'ny maro ary azo atao hoe nandrasan'ny sasany dia ny hirehetan'ny afo teo amin'ny roa tonta. Soa fa hendry Ramalagasy ary voakajy ny maha olomboafidy na ny Ben'ny tanàna, masi-mandidy eto amin'ny renivohitra, na izy na ny filoham-pirenena. Ny hevitra tokoa tsy azo tsy amin'ny olombelona !




Tsy kivy fa ketraka
Faly sahirana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Miandry ny vokatra fanindroany ataon'ny fanjakana momba ny fitsarana fanadinana kilasy famaranana farany teo. Faly ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, satria ireo very fanantenana tany aloha, mbola manantena ny ho afaka amin'ity farany ity. Sahiran-tsaina ihany koa anefa satria tsy afaka ny hikarakaraka ny fidirana antsekoly, raha tsy mivaly ny fitsarana andiany faha-roa.
Ny ministry ny fanabeazam-pirenena dia efa nitondra ny heviny manoloana ity famerenana ny fitsarana fanadinana ity. Vokatry ny fitarainan'ny ray aman-dreny sy ny mpianatra hoy ny tenany ? Ray aman-dreny iza ireo, ary mpianatra firy no nitaraina ? Raha toa ve ka misy mitaraina toy izao hatrany isaky ny misy valim-panadinana mivoaka, moa ve tsy maintsy averina hatrany ity fitsarana fanadinana ity ? Ho hentitra ny fanjakana amin'izay mety nihavian'ny fahalatsahan'ny naoty hoy ramatoa Ralambomanana Stageline teny Iavoloha. Moa ve ahafaka ny ahiahin'ny maro ny filazana izany ? Tsapa hatreto, fa arakaraky ny fihezahantsika hiala amin'ny tsy fahombiazana no hipoiran''ny karazana fahalemena eo amin'ny fomba fiasa isan-karazany. Tsy kivy fa ketraka ny maro mandre fa fitaovana harifomba no nampiasaina nitsarana fanadinana nefa izao no vokatra notazana. Amin'ny manaraka no tandremana e !




Tanora tsy an'asa
Ataon'ny hafa fitaovana
Rehefa noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Ny kibo tsy mba lamosina hono mahazaka maniraka, ka tsy ho gaga isika raha tsy mifidy iraka hampanaovina azy ny tanora tsy an'asa eto amintsika.
Irakiraka etsy sy eroa no zary mameno ny androm-piainan'ny tanora. Asa ihany anefa no hampanaovina azy ireny, saingy tolotra kely zara raha vaza mihetsika no tambiny ny asa ataony. Miainga amin'ny filazana fa mianatra asa aloha. Mahavita zavatra betsaka noho ny tena mpiasa ara-dalana izy ireny. Rhefa tonga indray ny fotoana tokony has any amin'izay, da voalaza fa mbola tsy misy toerana ho azy ireo. Dia lasa mivezivezy indray ilay tanora avy eo. Ilay toeram-piasana indray anefa rehefa lasa ilay mpiana-draharaha, dia mampiditra olona hianatra asa indray. Vita ny telo volana dia alefany indray io. Dia toy izay hatrany no mitranga. Ny asa vita ny vola tsy mivoaka. Zary lasa ataon'ny hafa fitaovana ireny tanorantsika ireny. Misy aza no manakarama vola kely hiditra amin'ny asa mamohetra toy ny fanakorontanana ara-politika. Maro ny tetika hambara fa ampetraka hanomezana asa ny tanora Malagasy, saingy hatreto aloha, dia mbola mitana ny 50% ny tanora Malagasy no tsy an'asa ankehitriny. Na miasa aza karama vary masaka e.




« Tsy gasy, tsy vazaha »
"Ny teny : nianarako nibada, nianarako ny Dada..."Tenin-dreny", hoy ireo manam-pahaizana. Tamin'ny teny vazaha hatrany no nandikàna azy ka nambara hoe "langue maternelle". Voambolana vaovao amin'ny sofina tokoa io, saingy mbola maro no mandika azy ho "tenin'ny Frantsa reny malala". Manomboka mazava ankehitriny fa miha mahazo laka ny teny malagasy. Hatramin'izay dia ny teny vahiny no nampiasaina teto Madagasikara, indrindra rehefa misy tera-tany vahiny iray manatrika fivoriana eo. Indraindray aza dia tsy Frantsay no manatrika eo, kanefa tsy azo najanona izany teny vahiny izany, ka nahatonga ny sasany hieritreritra ny "tenin-dreny malala". Ka rahoviana tokoa no ho teny malagasy ranoray ny fivoriana isan-karazany ? Efa mandeha tsikelikely io ary hita taratra fa mahazo aina ery ny Malagasy eo amin'ny fivoriana, ary sahy maneho hevitra avy hatrany. Efa miezaka mamantatra ny tia-kambara koa ny vahiny ka rariny raha manontany ny Malagasy hafa. Ka inona no maharatsy ny fahaizana teny malagasy ? Ny teny vahiny anie ka tsy ho foana akory. Vahaolana goavana io fivoizana ny fahaizana teny malagasy miainga any ifotony io. Maro anie ny tanora ankehitriny no tsy mahafehy mihitsy ny teny malagasy e ! Kanefa koa tsy mahafehy ny teny vahiny ka sady "tsy gasy no tsy vazaha". Ka asakasak'ireo zanaky ny manan-katao raha sahy hampianatra ny zanany eny amin'ny EPP izy ireo.




Antoko Leader Fanilo
Loabary andasy ho an'ny demokrasia
Amin'izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demokrasia izao, dia nanomana loabary andasy ny Leader Fanilo, nanasany ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena. Ny mpahay lalàna, Jean Eric Rakotoarisoa, Ny mpahay tantara, Lucile Rabearimanana, ny tanora mpandalina politika, Ketakandriana Rafitoson no nitondra fanazavana. Ho an'i Jean Eric Rakotoarisoa, dia nilaza fa tsy misy ny fahafahana ara-demokratika eto Madagasikara. Ny parlemanta no sehatra hisian'ny demokrasia, saingy hatramin'ny Repoblika voalohany dia izay antokon'ny fitondrana hatrany no matanjaka ao anatiny ka tsy misy adi-hevitra malalaka. Ny lalàna mifehy ny fifandraisana koa no fitsipika arahina amin'izany demokrasia izany kanefa efa ho folo taona izay no tsy mety tafavoaka izany lalàna mifehy ny fifandraisana izany. Tsy mifandanja hoy izy ny fisarahan'ny fahefana telo, ny fahefana mitsara, ny fahefana manao lalàna, ary ny fahefana mpanatanteraka. Ny mpanatanteraka no mitazona ny fahefana rehetra, hoy ity mpahay lalàna ity.
Ny filohan'ny Leader Fanilo, Manasse Esoavelomandroso no nilaza fa manao fanamby na "défi" amin'ny fitondrana izay milaza fa manjaka ny demokrasia eto Madagasikara. ny Leader Fanilo. Porofo lehibe tsy hisian'ny demokrasia ny lehiben'ny faritra tsy fidiana fa tendrena, tsy afaka mivory maneho hevitra ny antoko politika. Tsy toy ny an'ny antoko Tim izay mamory vahoaka isaky ny distrika manangana Distim. Betsaka ny onjam-peo tsy miankina saingy tsy misy vaovao azo resahana ankoatry ny an'ny fitondrana. Raha misy afaka miteny aza dia akatona ny onjam-peo avy eo, hoy ny Leader Fanilo.
Mpanao politika maro no nanatrika izany fotoana izany ary samy naneho hevitra avokoa, Pastora Richard Andriamanjato, Pierre Andrianantenaina, Pierre Houlder, Betiana Bruno, Razakarimanana Ferdinand, James Ratsima, Vaovao Benjamin, Monja Roindefo sy ireo hafa.




Rado
Maty ilay poeta
Maty ny alin'ny alatsinainy 15 septambra, tamin'ny 12 ora i teo amin'ny faha 85 taonany Georges Andriamanantena, Poêta sady Mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe « Rado ». Noho ny harerahana vokatry ny fahanterany sy ny aretim-po izay nitsaboana azy nandritra ny iray volana teny amin'ny « hôpital militaire Soavinandriana » no anton'izany. Efa nanao izay azony natao ny mpitsabo manoloana izany tsy fahasalamany izany. Omaly no niala teny amin'ny tranompaty teny Anjanahary ny nofo mangatsiaka ary nentina teny Ivato, trano fonenany fahavelony. Araka ny nambaran'ny fianakaviany, dia hatao veloma farany eny amin'ny FJKM Faravohitra ny razana alohan'ny andevenana azy eny amin'ny fasam-pianakaviana ao Anjanahary.
Olomanga
Azo lazaina fa very olomanga tokoa ny firenena, indrindra ny tontolon'ny literatiora. Maro ny asa soratra vitany, anisan'izany ny fanoratana tononkalo, izay tena nahafantarana azy indrindra. Ao koa ny boky nosoratany anisan'izany « Dinitra », « Zo », « Fiteny roa », sns. Nana-talenta taminin'ny fanoratana tononkira koa i Rado toy ny hiram-pivavahana. Teo ihany koa ny fanaovana sary hosodoko sy sary paik'afo. « Malahelo izahay ary tena mahatsapa fa very mpanakanto mana-talenta mihitsy ny firenentsika satria nahavita betsaka izy teo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy. Ny irina dia mba hisy hisolo izy », hoy Tsiory Randriamasy, mpiara-mivavaka aminy ao amin'ny FJKM Faravohitra.
Ravaka sy Diana ary Rivo
===========================
Iza moa i Rado
I Rado mihitsy no nanoratra ity CV atolotra ho anao ity. Tamin'ny 21 mey 2008 lasa teo no nanaovany azy. Asa, toa efa nandindona azy angamba izao fandaozana antsika izao.
Anarana : ANDRIAMANANTENA
Fanampinanarana : Georges
Teraka tamin'ny : 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo
Ray : ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina (eLa-maty)
Reny : RAZAFINDRAFARA (efa maty)
Fiaviana : lafin-dray : Betsizaraina - Antananarivo
Lafin-dreny : Amboanana - Arivonimamo
Solon'anarana amin'ny asa soratra : Rado noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe : "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado" (mitory hatsaran-tarehy)
Vady : RAVOLOLONA Edwige
Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)
Zafikely : 14
Zanajafy : 12
Sekoly nianarana :
* 1929 - 1931 : Ecole Officielle Faravohitra
* 1932 - 1940 : Ambohijatovo Atsimo (FFMA)
* 1941 - 1942 : Kolejy Paul Minault
* 1943 : Chambre de Commerce (fianarana comptabilité)
* 1959 - 1960 : Centre International d'Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- France)
Asa natao :
* 1943 - 1955 : Préservatrice Assurances
* 1955 - 1966 : Gazety Hehy (nanao gazety)
* 1967 - 1974 : Talen'ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra
* 1975 - 1977 : Niverina tao amin'ny Gazety Hehy
* 1977 - 1989 : Tale tao amin'ny Ministeran'ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera
Asa soratra : « Dinitra » (1973) ; « Ando » (1977) ; « Zo » (1980) ; « Sedra » (1993) ; « Ny Teny Malagasy » (1994) ; « Tsy maintsy mipoaka » (2002) ; « Voninkazo adaladala » (2003) ; « Fiteny roa - En deux Langues » (2005)
Manana tononkalo voadika amin'ny teny : Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema. Fikambanana misy azy : Havatsa - Upem : Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan'ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy (Membre Titulaire)
Talenta hafa : Sary hosodoko, paik'afo (pyrogravure), kiky fitaratra (gravure sur verre), tosi-by (métal repoussé), famoronana hiram-bavaka. Ala voly : Jono (ranomamy sy ranomasina), filalaovana amin-jafikeliny Mariboninahitra : (nomen'ny Fanjakana fa tsy nangatahana) : Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l'Ordre National Malagasy Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto : Antananarivo, Francoville, Paris (Frantsa)
Fanolokoloana : Tao an-tokantranon'ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan'izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin'izy ireo.
Isaky ny Alarobia hariva, alohan'ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan'ny fitaizana azonay teo anivon'ny Fiangonana isan'alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon'ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.
Aorian'io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan'Idada tamin'izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin'ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.
Ankoatra'ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin'izao toerana misy anay ankehitriny izao : mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.
Nampidirina tany amin'ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany : hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon'ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an'Andriamanitra.
Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin'ny andron'ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan'olona tsy misy ilana azy ny firenena.
Antananarivo, 21 mey 2008.
ANDRIAMANANTENA Georges RADO

