Analakely
Miaramila voarohirohy ho nanendaka
Nosamborin'ny polisy afak'omaly alina ary nateriny any amin'ny borigadin'ny zandary hanaovana famotorana (noho ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin'ireo mpitandro ny filaminana telo tonta) ireo miaramila dimy lahy voarohirohy ho nanendaka mpivady tratra alina teo Ambohijatovo.
Teo Analakely izy ireo no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny boriborin-tany voalohany nanao fisafoana ny tanàna. Fito lahy izy no niaraka, samy nanao fanamiana miaramila, saingy tafatsoaka ny roalahy.
Araka ny efa voalaza tery aloha, dia mpivady tratra alina teny Ambohijatovo no noendahin'izy fito lahy ireto. Nosakanany raha nifanena taminy, mody nosavainy karatra. Nefa nony avy eo ny sasany nibeda, ny sasany nangarom-paosy.
Tafatsoaka ihany anefa ilay raim-pianakaviana, ka lasa nihazakazaka namonjy an'Analakely. Tsy lasa lavitra izy fa vao tafidina kelikely dia nifanena tamin'ireo polisy nanao fisafoana ny tanàna. Niantso vonjy tamin'ireo izy ary dia natao ny fanenjehana an'ireto miaramila. Ka inona tokoa fa teo Analakely teo ihany izy fito lahy no nifanena tamin'ireo polisy sy ilay raim-pianakaviana.
Nitsoaka ny roa fa ny dimy lahy no voasambotra. Eo am-pelatanan'ny zandarimariam-pirenena avy ao amin'ny vondron-tobim-paritra Antananarivo izy ireo amin'izao fotoana izao.




Ankazobr
Olona telo matin'ny varatra
Namono olona indray ny varatra tany amin'iny faritr'Ankazobe iny. Olona telo mianaka sy biby fiompy roa no indray matiny. Mpivady monina ao Sarodrivotra fokontanin'Ambohimanarina, kaominin'i Talata Angavo ny voalohany. Izy ireo dia namoy ny ainy niaraka tamin'ny omby roa noroahiny. Zazalahy kely iray, sahabo ho 14 taona eo, avy ao Morafeno, fokontanin'Ambatomitsangana kaominin'Ankazobe, kosa ny faharoa.
Oram-baratra indroa nisesy, tamin'ny alatsinainy izay nahafaty ilay mpivady, sy tamin'ny talata teo izay nahavoa ilay zazalahy, no indray nitera-doza tamin'izany.
Avy niasa ka teny an-dalana handeha hody ireto mpivady ireto no tra-doza toy izao. Dimy mianaka izy no niaraka tamin'io fotoana io, dia izy mivady sy ny zanany telo. Saingy ireo zanany telo mianadahy kely tsy nisy naninona. Izy mivady sy ireo omby noroahiny no indray nopetahin'ny varatra.
Toy izany ihany koa no nahavoa an'ilay zazalahy kely tao Morafeno. Niaraka tamin'ny rainy ihany koa izy handeha hody, no tratry ny orana. Izy mianaka, raha ny fanazavana azo, no indray nasian'ny varatra, ka tao amin'ilay zazalahy kely no tena niantefany. Ilay rainy kosa naratra.
Masiaka dia masiaka tokoa ny varatra amin'izao fiandohan'ny orana izao. Ka tokony hitandrina ny rehetra, tsy hialokaloka eny am-bodihazo eny na hanakaiky biby fiompy satria mazàna halam-baratra izy ireny.




Ambohimahitsy
Vato saika nandratra mpandalo
Vato napoaka teo Ambohimahitsy no saika namoa-doza, omaly. Tovovavy iray avy nantsaka no saika nianjerany.
Toran-kovitra tsy nahita izay hataony omaly teny Ambohimahitsy, ity tovovavy iray saika nilatsahan'ny piti-bato be avy tamin'ny vato napoaka tao amin'ny famakiam-bato iray tao Ambohimahitsy. « Tena saiky maty aho, tsy hitako eritreretina ny loza saika nahazo ahy. Teto akaikiko mihitsy, folo santimetra teto anoloako ilay vato no nilatsaka », hoy izy.
Nantsaka niaraka tamin'ny anadahiny ity tovovavy ity tamin'io fotoana io, ary teny an-dalana hody nitondra rano izy no saika nidiran-doza toy izao.
Nirefotra mafy be tsy nisy toy izany tokoa mantsy ny vato napoaka tao amin'ity famakiam-bato ity. Ary na ny manodidina aza taitra sy nisahotaka, indrindra raha nahita ny fipitihan'ireo vato tao aminy. Tonga hatrany amin'ny 500 metatra any miala ny toerana. Saika nahitana piti-bato avokoa na ny arabe, na ny tokontanin'olona, na ny toerana malalaka.
Loza tsy nahy
Nidina an-tsehatra nijery ifotony ny zava-nisy teo amin'ilay toerana famakiam-bato mihitsy vokatr'izany, ny lefitry ny sefo fokontany tao an-toerana, Rakotondrasoa Jean Liva. Maro mantsy tamin'ireo fokonolona teo amin'ny manodidina no tonga nitaraina tao amin'ny fokontany.Nambaran'i Rakoton-drasoa Liva mantsy fa efa hatramin'ny ela, na tamin'ny mpitondra ny fokontany teo aloha, ireo tompon'ny toerana famakiam-bato eo amin'ity toerana saika namoa-doza ity, no nilaza ny amin'ny hampitsaharany ny famakiam-bato amin'ny rindrim-bato, noho io toerana io efa be tanàna manodidina azy.
« Mahafantatra tsara izany na ny tompon'ny famakiam-bato, na ireo mpiasa », hoy izy. Notsindriany ihany koa fa azo arindra tsara ny fatran'ny dinamita hanapoahana vato fa tsy hatao mahery vaika handratra olona.
Nanazava anefa ny tompon'ilay toerana famakiam-bato, Rasoavololona, teo anatrehan'ity solontenam-panjakana eny anivon'ny vahoaka ity, fa sendra ny loza tsy nahy ireo mpiasa nanatanteraka ny famakiam-bato. « Nitsoaka avy tao anatin'ilay lavaka nanitrihana azy ilay fitaovana namakiana vato ka izay no nahatonga an'iny fipoahana mahatsi-ravina iny. Manaja tanteraka ny fepetra napetraky ny fokontany sy ny fitarainan'ny olona tsara izahay. Saingy tratry ny tsy azo nanoharana tampoka», hoy izy nanaiky.
Soa ihany, araka izany, fa tsy nisy ny loza niseho !





Ambohimahitsy
Vato saika nandratra mpandalo
Vato napoaka teo Ambohimahitsy no saika namoa-doza, omaly. Tovovavy iray avy nantsaka no saika nianjerany.
Toran-kovitra tsy nahita izay hataony omaly teny Ambohimahitsy, ity tovovavy iray saika nilatsahan'ny piti-bato be avy tamin'ny vato napoaka tao amin'ny famakiam-bato iray tao Ambohimahitsy. « Tena saiky maty aho, tsy hitako eritreretina ny loza saika nahazo ahy. Teto akaikiko mihitsy, folo santimetra teto anoloako ilay vato no nilatsaka », hoy izy.
Nantsaka niaraka tamin'ny anadahiny ity tovovavy ity tamin'io fotoana io, ary teny an-dalana hody nitondra rano izy no saika nidiran-doza toy izao.
Nirefotra mafy be tsy nisy toy izany tokoa mantsy ny vato napoaka tao amin'ity famakiam-bato ity. Ary na ny manodidina aza taitra sy nisahotaka, indrindra raha nahita ny fipitihan'ireo vato tao aminy. Tonga hatrany amin'ny 500 metatra any miala ny toerana. Saika nahitana piti-bato avokoa na ny arabe, na ny tokontanin'olona, na ny toerana malalaka.
Loza tsy nahy
Nidina an-tsehatra nijery ifotony ny zava-nisy teo amin'ilay toerana famakiam-bato mihitsy vokatr'izany, ny lefitry ny sefo fokontany tao an-toerana, Rakotondrasoa Jean Liva. Maro mantsy tamin'ireo fokonolona teo amin'ny manodidina no tonga nitaraina tao amin'ny fokontany.Nambaran'i Rakoton-drasoa Liva mantsy fa efa hatramin'ny ela, na tamin'ny mpitondra ny fokontany teo aloha, ireo tompon'ny toerana famakiam-bato eo amin'ity toerana saika namoa-doza ity, no nilaza ny amin'ny hampitsaharany ny famakiam-bato amin'ny rindrim-bato, noho io toerana io efa be tanàna manodidina azy.
« Mahafantatra tsara izany na ny tompon'ny famakiam-bato, na ireo mpiasa », hoy izy. Notsindriany ihany koa fa azo arindra tsara ny fatran'ny dinamita hanapoahana vato fa tsy hatao mahery vaika handratra olona.
Nanazava anefa ny tompon'ilay toerana famakiam-bato, Rasoavololona, teo anatrehan'ity solontenam-panjakana eny anivon'ny vahoaka ity, fa sendra ny loza tsy nahy ireo mpiasa nanatanteraka ny famakiam-bato. « Nitsoaka avy tao anatin'ilay lavaka nanitrihana azy ilay fitaovana namakiana vato ka izay no nahatonga an'iny fipoahana mahatsi-ravina iny. Manaja tanteraka ny fepetra napetraky ny fokontany sy ny fitarainan'ny olona tsara izahay. Saingy tratry ny tsy azo nanoharana tampoka», hoy izy nanaiky.
Soa ihany, araka izany, fa tsy nisy ny loza niseho !





Taolagnaro
Olona roa matin'ny dahalo
Jiolahy 13 no indray nanafika sy namono olona roa tao Ranomafana atsimo, amin'iny faritr'i Taolagnaro iny, ny alin'ny 7 septambra teo. Raim-pianakaviana tompon'ny fivarotana notafihin'izy ireo ny iray ary olon-tsotra andeha hanavotra kosa ny faharoa.
Tsy nananan'ireto dahalo indrafo mihitsy izy roalahy ireto fa raha vao hitany niantso vonjy ity mpivarotra dia notombohany lefona sy notifiriny basy. Toy izany ihany koa raha vantany vao tonga hamonjy ireto notafihina ity mpifanolo-bodirindrina, dia nopetahin-dry zalahy.
Vola mitentina 70 000 ariary no indray norobain'izy ireo.Nandeha ny fikarohana nataon'ny zandary ka sarona avokoa izy 13 lahy. Mbola niampy olona roalahy hafa ihany koa aza ireto voasambotra satria tonga nisosososo saika hanamby vola be hamotsorana an'ireto dahalo izy roalahy ireto. Kanjo tsy nanaiky ho resin'izany fakam-panahy izany ireo zandary ka dia notanana teo koa ireo.
Tafakatra 15 izany ny olona voasambotra tamin'ity raharaha ity. Natolotra ny Fampanoavana, omaly izy ireo.




Ambohimamory
Mila fanampiana ireo kamban-telo
Manitsaka ny faha-27 andron'ny nahaterahany amin'izao fotoana izao ny kambana telo mirahavavy eny Ambohimamory Ampitatafika. Manana olana ara-tsakafo izy ireo.
Toy ny kindrindriana kely ny fikarakaran'i Samilala Zatovo Tiana sy Njaratiana Hortensia ray aman-drenin'ireto kamban-telo, i Fiderana, Fitahiana ary i Fitiavana kely, kamban-telo eny Ambohimamory Ampitatafika.
Ampatoriana milahatra eo am-pandriana izy ary alefa arakara-jokiny. Dia izay mandray azy tsy maintsy mitadidy tsara izay zaza nalainy, dia mametraka azy eo amin'ny toerany. Tsy mbola misy marika hanavahana azy tsara mantsy izy telo amin'izao ka izay no tsy maintsy hanaovana azy mba tsy hifamadika, mora hanaraha-maso azy.
Tsy maharaka ny nono
Salama tsara ry zareo ary mitombo tsara ihany koa. « Arahin'ny mpitsabo maso akaiky tsara ny fitombon'izy telovavy kely, ary isaky ny roa andro izy no tsy maintsy entina hojerena eny amin'ny toeram-pitsaboana », hoy ny rainy, Samilala.
« Naniry zaza tokoa izahay ka nahazo », hoy ihany ny rain'izy telovavy. Tsy zava-mora mantsy, raha ny fanazavany, ny fitsaboana sy ny fikarakaram-batana rehetra natao naniriana zaza, indrindra fa nanoloana ny tsy nety teo aloha (satria tsy azo ny naterak'izy ireo voalohany). « Ary dia telo be izao no indray tonga », hoy i Samilala.
Faly sahirana anefa satria ny ho enti-manana eo amin'ny lafiny ara-tsakafon'izy telovavy kely no olana. Tsy maharaka azy telo mihitsy mantsy ny nonon-dreniny, ka tsy maintsy mihinana vovo-dronono izy. « Io mihitsy aza no tena foto-tsakafon'izy telovavy fa toy ny lasa fanampin-tsakafony indray ny nono », hoy ny reniny, Njaratiana. Ka eo indrindra no ilàny sy iantsoan'izy ireo ny fanampiana sy fanohanana amin'izay olona tsara sitra-po sy malala-tanana rehetra. « Tsy maharaka mihitsy ny eo am-pelatanana na dia manana fototr'asa tsara aza aho », hoy Samilala.
Vao iray volana latsaka izy izao, dia efa boaty iray isaky ny roa andro sahady no laniny. Ny vidin-dronono anefa iaraha-mahalala ny fahalafosany. Ary tsy hitsahatra ny hitombo izany rehefa kelikely, araka ny fahazoan'izy telovavy lanja.
032 49 456 31 na 032 48 845 94 na 032 43 709 07 no laharan'ny finday iantsoana azy ireo. Eto am-pamaranana dia maneho fisaorana sahady ireo izay efa nanampy azy, iray amin'ireny ny hopitalin'ny Marie Stopes, eny Avaradoha, izy mivady ray aman-drenin'ireto zaza.





Mpanohitra
Mankadilo sofina foana ny teny hoe : mpanohitra.
Mahasosotra mihitsy aza moa. Ka izany izy hoe mpanohitra, mpitsivalam-pandry.
Matetika anefa dia tsy voafaritra ara-drafitra io teny io; na aoka hatao hoe : tsy mitovy ny tondroina hoe mpanohitra, fa samy mandrirotra amin'izay ironan'ny eritreriny. Misy aza manao « mpitari-bato vilam-bava » : aty no tondroiny kanefa ary no alehany. Androany izy mpanohitra ny tena, rahampitso izy mpanaraka am-bokony fotsiny izao.
Raha vao mahare ny hoe mpanohitra ny ankamaroany, dia ny hafa no mby an-tsaina avy hatrany : Ry Ranona sy Ranona indray izay. Dia tsy mihambahamba akory ny mamarina azy ireny, ombam-bady aman-janany sy ny fokony rehetra any an-kady maizin'ny olo-meloka : mpanakorontana, mpitady seza, alahelon-kanina, tsy mahay politika, tsy mahatanty resy, na tsy mahay mandresy... Hadino ilay hoe : « Ny mandresy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina ».
Tsy isalasalana ny milaza etoana fa tsy maintsy efa nanohitra olona ny maro amintsika, na isika rehetra mihitsy aza. Ary koa tsy maintsy efa notoherin'olona koa isika, na dia zavatra heverintsika ho marina tsy azo lavina aza. Izy manohitra ahy, izaho manohitra azy. Ianareo manohitra anay, izahay manohitra anareo. Dia hoy ny fiteny : « Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy » - mety tsy mitovy - izay azo avadika hoe : Samy mpanohitra isika fa zavatra toherina sy ny fomba fanoherana no samihafa. Koa « Aoka tsy hifanebaka fa samy petak'orona » hoy ny Ntaolo. Aoka tsy hifampitora-bato fa samy mpanohitra, samy mahay sy zatra manohitra.
Raha ny fanoherana ny ratsy, dia angamba itovizana sy tokony hitovizana amin'ny ankapobeny. Iza tokoa moa no tsy hanohitra ny ratsy ? Dia ny ratsy eken'ny besinimaro fa ratsy : fivadihana ny marina, tendan-kanina ara-boninahitra sy ara-bola, manao mozana tsindrian'ila amin'izao sy izao, tia tena loatra na amin'ny fomba fiasa na amin'ny fifandraisana na indrindra amin'ny fiteny... «Matoa mifanohitra dia ny tô no aolaka », ny marina no avily. « Ka miviombio ! » hoy M .J.
Misy ny mihevitra fa rehefa tsy tratra eo am-panaovan-dratsy hono izy dia tsy diso. Efa hadino ilay MASOBE eo ambonin'ny loha, izay mahita hatrany amin'ny miafina indrindra, hatrany amin'ny tsinaimainty, hoy ny mpanohatra.
Indrisy fa maro amintsika no tsy mahatohitra ny ratsy, na ny ao amintsika tsirairay avy na ny eo amin'ny fiaraha-monina. Ny kileman'ny tena totofana mafy fa ny an'ny hafa kosa antsikafona, hitrikitrihina tsy misy indrafo. Atao daholo izay rehetra hahavery zo sy hasina ny hafa. Ny fihetsika toy izany anefa no maha fanohitra, tsy atahorana hidinana an-dalam-be na haha latsa-dra sy hamoizan'aina aza. Tsy ny mpanohitra no tokony hopotehina, na mivantana na an-kolaka, fa ny ataon'ny tena no tokony harenina sy hahitsy. Ny fiarovan-tena tsara indrindra dia ny fanaovana izay rehetra atao MAZAVA, MAHITSY, MARINA.
Ralaivao Joseph




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Vola 126 000 ariary norobain'ny dahalo. Fiara telo no indray notafihin'ny dahalo tamin'iny lalam-pirenena faha-13 iny, teo akaikin'i Beraketa, afak'omaly alina. Notorahany pilotra sy lefona ary nambanany basy. Afaka ihany anefa ilay kamiao sy ilay fiara Tata na dia voatifitra teo amin'ny vatan'ny fiara aza, fa ilay fiara « semi-remorque » no tsy afaka. Norobainy tamin'izany ny mpamily sy ny mpanampy azy.
Faty hitan'ny fokonolona. Razana efa tsy nisy nahafantarana azy intsony no hitan'ny fokonolona tao amin'ny tanànan'Ankivony, kaominin'Ambalakida, amin'ny faritr'i Mahajanga II, ny 25 septambra teo. Na taratasy mety ho ahafantarana azy aza tsy misy ihany koa. Nalevin'ny fokonolona ny razana.
Entana 200 000 000 ariary lasa lavenona Kila forehitra tsy nisy noraisina ilay trano lehibe fivarotana tamin'ny faritr'i Menabe, ny 25 septambra teo. Afon-tsaribao nandrahoana sakafo no nitera-doza, nahazo ny rindrina sy ny kidoro spaonjy ary tonga tany amin'ny tavoahangina gazy fandrehitra. Ny fokonolona ihany no namono ny afo.
Nangonin'i




Ilafy
Mitondra rano vao mahazo mianatra
Mbola lavitry ny afo ny kitay raha mikasika ny fisian'ny rano madio ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra ao Ilafy. Tsy misy izany mantsy ao an-toerana raha tsy ny mpianatra no mitondra.
« Efa hatramin'ny taona 1919 no niorenan'ity sekoly ity. Fa hatramin'izao tsy mbola tafiditra ny rano eto », hoy i Aimée Rasoanirina, mpampianatra ao. Ny ankizy, raha ny fanazavany, ny asaina mitondra rano avy any an-trano, hosotroiny sy hanasany tanana ary handiovana ny solaitrabe. « Tsy maintsy mitondra tavoahangy tsirairay avy izahay rehefa mianatra », hoy i Solofo, mpianatra ao. Tavoahangy plastika kely iray izany no entina mianatra. Sahirana mihitsy, araka izany, ny mpianatra satria ny kitapo entina, ny rano lanjaina !
« Isaky ny misy fampielezan-kevitra dia lokalokan'ireo mpanao politika hatrany ny hampidirana rano madio ato amin'ny faritry ny sekoly, nefa hatramin'izao, tsy misy izany. Ny omaly tsy miova », hoy Vao Landy Rasoatany, ray aman-drenina mpianatra. Ny vovoka anefa tsy eran'ny aina. Tsy mahagaga raha maloto sy mena tongotra lava ny mpianatra.





Andravoahangy Ambony
Be mpankafy ny « huître »
Tian'ny olona maro tokoa ny « huître » satria manome kalsioma haingana izy. Mahalany iray gony amin'izany ny mpivarotra iray isan'andro.
Mandeha dia mandeha ny tsenan'ny « huître » raha ny fivelomana ataon'ity fianakaviana iray mivarotra izany eny Andravoahangy ambony no jerena. Be mpankafy tokoa, araka izany, ny « huître ». Mitondra kalsioma haingana mantsy izy ireny ary izay no ankafizan'ny olona azy. Rarahana voasary makirana na vinaingitra no fihinanana azy.
Iray gony isan'andro
Tsy mifidy saranga sy karazana ny olona tonga mihinana azy eto, fa tonga mividy eto daholo, na kely na lehibe. « Misy vazaha koa mividy eto. Misy koa ny manafatra ka aterina any an-tranony », hoy i Mino. Nambaran'i Mino sy Lalao ary Rakoto, mpiray tampo, mivarotra izany eny an-toerana, fa iray gony isan'andro eo ny entana entin'izy ireo amidy.
Saika lafo avokoa izany, matetika, indrindra fa amin'ny main-tany. « Amin'ny andro main-tany toy izao mantsy ny huître no tena mandeha. Tsara mantsy ny tsirony eo, re misy sira tsara. Somary matsatso izay mantsy izy raha fahavaratra ka eo ho eo ihany, araka izany, ny tsena », hoy indray i Lalao.
Avy any Mahajanga ireny « huître » ireny no alaina, entin'ny kamiao ary eny Antohomadinika sy eny Ankazomanga ireto mpivarotra ireto no maka ny entana.
« Ilaharana mihitsy ny maka azy eny satria betsaka ireo mpivarotra azy eto an-drenivohitra », hoy Rakoto. « Manomboka eo amin'ny 32 000 ariary ka hatramin'ny 50 000 ariary ny vidin'ny iray gony amin'izany, arakaraka ny haben'ny gony ary ifandrombahana mihitsy », hoy ihany izy nanamafy.
Amin'ny 5 ora maraina izy sy ireo fianakaviany no miainga eny an-tranony eny Anosibe, mamonjy an'Ankazomanga sy Antohomadinika haka ny entana. Adiny iray eo ny fotoana laniny amin'izany ary eo amin'ny 8 ora sy sasany maraina eo izy vao tonga eny Andravoahangy ambony mamelatra ny entana. « Mbola karakaraina sasana tsara mantsy ny entana satria feno fotaka be izy io no vidiana. Paompy etsy ambony ambony etsy no hanasanay azy ary mandoa vola 400 ariary isam-bolana any amin'ny fokontany izahay amin'izany », hoy ireto mpivarotra.
14 taona izay raha ny fanazavan'izy ireo no efa nivarotan'izy ireo « huître » teo Andravoahangy ambony teo. « Voankazo no namidinay teo aloha. Fa niova an'ity izahay satria ity no hitanay fa mba misy tombony kely ».
Ilàna fahamalinana ihany anefa, raha ny fanazavan'ny mpitsabo ny fihinanana azy ireny. Mila jerena tsara ny fahaveloman'ilay biby kely hanina ao anatiny, tandrovana tsara ihany koa ny fahadiovana !





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpianatra voaendaka. Norobain'ireo jiolahy teo Antaninandro, ny talata teo, ny rojo volamenan'ity tovovavy kely mpianatra iray. Soa fa nisy polisy niasa tsy lavitra teo ka tratra ihany ny iray tamin'ireo mpanen-daka. Voasambotra fotoana fohy taorian'izay koa ny namany roalahy hafa.
Trano fanodinan-kazo nirehitra. Fananana hatrany amin'ny 5 tapitrisa ariary no indray lasa lavenona tao amin'ity trano fanodinan-kazo iray tao Tsarasaotra Antsirabe, afak'omaly tolakandro. Afon-dafaoro no voalaza fa nahatonga ny loza.
Nangonin'i




Antsirabe
Fatin'olona roa nihoson-dra
Nihorohoro fatratra ny mponina tao Antsirabe, omaly maraina. Fatin-dehilahy roa be izao, samy nihoson-drà avokoa no indray hita tao an-tanàna. Teny amin'ny toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly no nahitana ny iray. Nitsirara nanoloana indrindra ny tribunes tao an-toerana. Ilay faharoa kosa teo anoloan'ny biraom-pokontany tao Mahazoarivo avaratra.
Samy novonoina
Ilay tao amin'ny toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly, raha ny fahitana azy, dia teo an-toerana no novonoin'ireo olon-dratsy. Saika menan'ny ra avokoa mantsy ny bozaka nanodidina azy teo. Nivonto sy mangana ny masony havia ary nivoa-dra ny orony. Tamin'ny famadihana ny razana nataon'ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana no nahitana dian'antsy, tao amin'ny hatony. Manodidina ny 30 taona eo moa ity lehilahy ity.
Niankohoka kosa no nahitana ilay faharoa tao Mahazoarivo avaratra, izay manodidina ny 40 taona eo. Teny amin'ny arabe indray, raha ny fahitana azy, no namonoana an'ity lehilahy ity, satria nahitana rà nandriaka teny amin'ny lavidavitry ny lalana nisy ny razana. Ka rehefa maty dia notaritina ka napetraka teo amin'ny sisin-dalana.
Toy ny novelesina tamin'ny kobay ny lohan'ity lehilahy ity, raha notsapain'ireo mpitandro ny filaminana. Nivoaka teo amin'ny vavany sy ny sofiny ny rà.
Na ny voalohany na ilay faharoa dia samy nomarihin'ireo mpitandro ny filaminana fa samy novonoina avokoa. Tsy vitan'izany fa norobaina ihany koa izy ireo satria samy tsy nahitana taratasy momba azy teny amin'izy ireo na dia iray aza. Efa manao ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.




Zava-kanto
Namoaka kabosy misy tahony roa i Solo Razah
Zava-baovao tsy fahita firy ny kabosy misy tahony roa. I Solo Razah no nikaroka sy namokatra izany. Ny tanjony dia ny hifehezana ny karazan-kira misy rehefa tendrena aminy.
Mpanakanto avy amin'iny faritr'i Moramanga iny i Solo Razah. Ny fitendrena kabosy no tena manavanana sy nahafantaran'ny maro azy. Anisan'ireo hira noforoniny ka ahafantaran'ny maro azy, satria mpandeha matetika ao amin'ny haino aman-jery samihafa, ny « Viavy Krisy, niteti-davirana ».
Sady mpitendry no mpamoron-kira mantsy ny lehilahy. Kanefa na izany aza dia anisan'ny namelo-maso an'ireo vakoka malagasy avy any amin'iny faritr'i Moramanga iny ny tenany. Iray amin'ireny ilay hira hoe « Goaika roa mivady », izay be mpahalala tokoa.
Dimy amby telopolo taona nitendrena kabosy i Solo Razah amin'izao fotoana izao. « Tiako ny kabosy. Io rahateo koa no zava-maneno misy ao amiko eo ka izay no nifehezako azy », hoy izy.
Fefy samihafa
Tsy nianona tamin'ny fahaiza-mitendry fotsiny anefa izy fa nikaroka manokana momba ny kabosy. Ary dia nahavita kabosy roa taho. Tsy mifanalavitra amin'ny kabosy tsotra izy io, saingy ny feo avoakany no mampiavaka azy, araka ny
« fefy », na touches, misy eo aminy, dia ny fefy tapaka sy ny fefy mitohy. Manampy betsaka amin'ny fitendrena hira izy ireo. « Raha misy feo ilaina ka tsy tafavoakan'ny tahony iray dia tendrena amin'ilay faharoa », hoy izy.
Araka izany dia afaka hitendrena ny karazan-kira rehetra ity kabosy vaovaon'i Solo Razah ity. « Ary izay no antony namoronako azy », hoy ihany izy.
Tao anatin'izay 35 taona izay, ankoatra ny fanafanan-danonana samihafa, izay tsy tao Moramanga ihany fa nanerana ny faritra maro, dia efa nandray anjara tamin'ny sehatra iraisam-pirenena i Solo Razah. Nanandratra ny lazan'ny kabosy tany Seychelles ny taona 1994, ny fetin'ny Frankofonia teto Madagasikara ny taona 1997, tao La Réunion ny taona 2006
Hetsika maro no kasain'i Solo Razah hatao amin'izao fahatrarany ny faha-35 taona nitendreny kabosy izao. Efa nanomboka ny 26 jona teo izany, tao Moramanga, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny faran'ny taona.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fandrobana fiara.
Ny varavaran-kelin'ny fiara 4x4 no novakian'ireo jiolahy teny Tsiadana, ny faran'ny herinandro teo, nangalarany an'ilay kitapo kely nampirinina tao anatiny. Taratasin'ny fiara niaraka tamin'ny vola 400 000 ariary no tao anatiny.
Mpivady nodarohan'ny jiolahy. Naratra mafy, vaky loha daholo ireto mpivady notafihan'ny jiolahy teny Anosizato ny asabotsy alina teo. Olona sendra nandalo no nahita azy ireo nihoson-dra tao an-tranony.
Mpitaingina moto maty nodonin'ny fiara. Maty tsy tra-drano raha nodonin'ny fiara ity lehilahy nitaingina moto teny Anosivavaka Ambohimanarina. Lasa nitsoaka avy eo ilay fiara nandona azy.
Nangonin'i




Ambodivona
Telolahy nanendaka fiara
Teny ambony fiara 4x4 nentiny, raha nandalo an'iny faritr'Ambodivona iny, ity lehilahy iray no nendahin'ny jiolahy telo. Nambanany basy ary nosintoniny ny rojo volamena teny am-bozonany sy ny sakaosy nisy vola mitentina 4 000 000 ariary.




Toliara
Mitankizina ny tanàna
Ao anatin'ny haizina tanteraka i Toliara amin'izao fotoana izao. Nirefotra tao mantsy, omaly, araka ny vaovao azo avy tany an-toerana, ny milina mpandefa ny jiron'ny Jirama. Hany ka tapaka tanteraka ny herin'aratra ao an-toerana.
Mikatso, araka izany, ny asa rehetra mandeha amin'ny herin'aratra. Tsy mandeha ny solosaina, tsy mandeha ny fitaovam-pifandraisana, tsy mandeha ny orinasa mpamokatra, ny haino aman-jery.
Potika ihany koa ny entana ao anaty vata fampangatsiahana. Izay manana groupe électrogène ihany sisa no afa-mampiaina ny fitaovana ao an-tokantranony. Sahirana, araka izany, ny mponina.
Ny amin'ny andro antoandro vita ihany fa ny amin'ny alina no tena mampanahy betsaka ny mponina. Hanjaka sy hanararaotra indray mantsy ireo tontakely, satria mirehitra aza ny jiro, manao ny ataony ny jiolahy.
Mainka fa amin'ny andro maizina. Ary tato ho ato dia saika izay fanafihan-jiolahy izay hatrany no niseho lany tao an-toerana.




Antaninarenina
An'ny 4'mis ny toeram-pivoahana
Toy ireny trano tsy misy fotony ireny sisa ilay toeram-pivoahana eo Antaninarenina. Lasa toeram-ponenan'ireo olona tsy manan-kialofana.
Lasan'ireo olona tsy manan-kialofana ambongadiny ilay toeram-pivoahana eny Antaninarenina. Eo ivelany eo mantsy izy ireo, eo an-tokonam-baravaran'ny trano, no manangana trano lay kely, ary dia eo izy no mandrehitra afo rehefa hariva ny andro. Amin'ny antoandro, mihahy eo ny lamban-jaza, ny patalohan-jaza lena...Toy ireny trano tsy nandaniam-bola ireny ilay izy. Ny rindrina maintin'ny setroka, ny tafo anirian'ny bozaka aman'ahitra !
Miavosa ny loto
Rehefa hatonina indray ka topazana maso, dia tsy laitra tazanina ny « fitsikin'ireo loto » isan-karazany ao anatiny, ny diky, ny fatin-karona, tapakazo kely, biriky, vato... Mihidy tsara izao anefa ilay trano, fa dia miavosa ny loto ao anatiny ao. Tsy misy tany ho diavin'ny tongotra mihitsy raha mba te hiditra ao. Amin'izay mbola petsapetsa ihany koa !
Manohy miakatra ny tohatohabato ihany ny tena ka hay tsy voafetra ho ny ao anatin'ity trano kely fivoahana ity ihany izany loto izany fa na hatrao ambony tafony ao ihany koa aza. Rakotry ny loto koa ! « Efa ho herintaona izao io trano fivoahana io no tsy niasa intsony », hoy ireo mpivarotra tamin'iny tohatohabato iny. Nambaran'izy ireo fa ireo mpatory an-tsena ireo no manjaka, mpiditra ao amin'io toerana io, na dia mihidy aza ny trano.
« Misy lavaka kely idirany eo akaikin'ny tohatohatra eo sy any ambony tafo any. Ao ry zareo no maka rano isasany sy andrahoany sakafo », hoy ity renim-pianakaviana mpivarotra iray. Izany no nosoritany fa antony mahatonga an'ilay petsapetsa ao anatiny mivoaka avy eo antokonam-baravaran'ny trano eo. « Mahatsiravina mihitsy », hoy ihany ity renim-pianakaviana ity nihivingivina.
Misy mandroaka azy ireo ihany ireo mpiasan'ny fivondronana, raha ny fanazavan'ireo mpivarotra, fa tsy mety miala ry zareo ! Dia hita hoe trano mipetra-potsiny tokoa, tsy misy mampiasa, ary dia idiran'ireo tsy manan-kialofana sy anjakan'ny loto isan-karazany.
Ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny kaominin' Antananarivo moa, raha nanontaniana ny antony nanidina an'ity toerana ity, dia nilaza fa tsy mahafantatra velively ny fisian'izany. Tsy fantatra izany izay tena tompon'andraikitra tamin'ny fanidina azy ity !





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Renim-pianakaviana maty voadonan'ny fiara. Haka ny satrony nofaohin'ny rivotra no nandehanan'ity renim-pianakaviana iray teny am-povoan'arabe, tao Mahatsinjo tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny alarobia teo. Kanjo fahafatesana tampoka no hitany. Nofaohin'ny fiara efa akaiky kely izy, ary nipitika teny amin'ny sisin-dalana, ka maty tsy tra-drano teo no ho eo.
Fiara nisy namaky. Capot-na fiara efa nisokatra no nanaitra ny mason'ity renim-pianakaviana iray teny Analamahitsy, omaly maraina. Novakian'ny sasany teo an-tokotaniny teo ny fiara. Lasany ny batterie vaovao sy ny haingom-piara tao anatiny. Tsy re tsaika mihitsy ny niakaran'ireo mpangalatra ny tamboho.
Telo lahy saika hangalatra kaontera. Efa teo am-pikononkononana ny hamotika an'ilay kaonteran-dranon'ny Jirama tao an-tokotanin'olona iray teny Anatihazo, omaly, ireto mpangalatra telo lahy, no tsikaritry ny fokonolona. Olona sendra nandalo no nahita azy ary niantso ny mponina teo amin'ny manodidina. Vaky tady nandositra ireo jiolahy nony avy eo.
Nangonin'i




Vatomandry
Miaramila 800 niatrika sarin'ady
Fahombiazana hatrany no hita tamin'ny sarin'ady nampitondraina ny lohateny hoe Pangalana 2008, notanterahin'ny tafika malagasy sy ny tafika frantsay, avy amin'ny faritra atsimo aty anivon'ny oseana Indiana na ny Fazoi (Forces armées de la zone sud de l'océan Indien). Tany amin'iny faritra atsinanana iny, ny 13 ka hatramin'ny 26 septambra 2008 teo, no nanaovana izany.
800 eo ireo miaramila indray nandray anjara tamin'ity sarin'ady ity, nahitana ireo vondron-tafika telo, tafika an-tanety, an'habakabaka ary an-dranomasina. Teo ihany koa ny zandarimariam-pirenena.
Toy ireo sarin'ady natao hatramin'izay, ankoatra ny fampitàna traikefa isan-karazany eo amin'ny firenena roa tonta, dia anisan'ny tanjona tamin'izao sarin'ady Pangalana 2008 izao ny fanamafisana orina ny fitandroana ny fandriampaha-lemana. Eo ihany koa ny fanomanana ny vondron-tafika Recamp (Renforcement de la capacité africaine de maintien de la paix) eto amintsika, amin'ny fiatrehana ny zava-misy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Noho i Madagasikara mpikambana ao anatin'ny borigady Sadc mantsy, dia noforonina hirotsaka an-tsehatra amin'izany ity vondron-tafika Recamp ity. Miaramila fiandry ihany anefa izy eo anivon'io sehatra iraisam-pirenena io.
Nanome fitaovana ho an'ny CSB II tao Vatomandry koa ny vady miaramila.




Anosimanjaka
Mihalafo ny biriky
Misondrotra isan-taona manaraka ny fisondrotam-bidin'ny fiainana koa ny vidin'ny biriky. Manodidina ny 55 ariary ny iray amin'izao fotoana izao.
Ny fotoanan'ny main-tany toy izao mazàna no fanararaotan'ny olona manao trano. Tsy misy tsy mikaika amin'ny fiakaram-bidin'ny biriky anefa ny olona, satria raha 40 ariary no vidin'ny biriky iray eny am-potony (eny amin'ny mpanao azy) tamin'ny taon-dasa, dia tafakatra 50 ka hatramin'ny 55 ariary izy amin'izao fotoana izao.
Tonga any amin'ny toerana hitondrana azy aty an-drenivohitra izy izany dia mananika hatrany amin'ny 75 ka hatramin'ny 80 ariary any ny biriky iray. Manodidina ny eo amin'ny 25 ariary eo mantsy ny mitatitra ny biriky iray.
Maka tombony
« Ny masonkarena amin'ny fanaovana azy mihitsy no tsy ahafahanay manoatra. Nisondrotra izaitsizy », hoy Rafaraharimanana, renim-pianakaviana mpanao biriky iray avy eny Anosimanjaka, kaominin'Ambohitrimanjaka. Nosoritany mazava fa raha ariary fito isam-biriky ny karaman'ny mpandatsaka teo aloha, dia nisondrotra ho 13 ariary izany amin'izao fotoana izao. Nisondrotra toy izany ihany koa ny karaman'ny mpandoro biriky, sy an'ny mpitaona azy ho dorana, satria asa samihafa samy manana ny sarany ireo.
Masaka ny biriky dia mbola eo ihany koa ny karaman'ny mpitatitra azy ho eny amoron-dalana.
« Taomin-dakana ny anay ny biriky ho entina eny amoron'arabe noho ny fisian'ny ranobe tamin'ireny oram-be teo ireny. Dia tsy mbola mipetraka ihany koa ny hofan'ny lakana. 3000 ariary isan'andro », hoy ihany Rafaraharimanana. Izany hoe manodidina any amin'ny 40 ariary any ny masonkarena amin'ny biriky iray rehefa atambatra izay rehetra izay. « Ary eo izahay no maka tombony rehefa tonga ny mpividy », hoy izy tamim-pahatsorana.
Nosoritany fa tompon'ny tany anaovana biriky izy no mivarotra izany biriky izany any amin'ny 50 ariary na 55 ariary eny am-potony, fa mbola hafa noho izany ny vidiny raha toa ka manofa tany ilay mpanao biriky.
Tsy mba toy ny fasika na vato kely mandeha amin'ny lanja zakan'ny kamiao ny biriky, raha ny fanazavan'ity renim-pianakaviana ity ihany, fa mandeha tsirairay daholo. Manomboka eo amin'ny fanamboarana azy izany ka hatrany amin'ny vidiny.
« Ny fisondrotam-bidin'ny fiainana no manosika anay hampiakatra ny saran'ny fanaovana biriky », hoy Randimbiarivony Gérard Robin, raim-pianakaviana mpikarama amin'ny fanaovana biriky (mpandatsaka sady mpandoro no mpitaona ihany koa).





Téléphonie mobile
Le réseau unique de Zain récompensé
Le réseau unique ou one network de Zain convainc. Ce service a remporté le prix Global Telecoms Business dans la catégorie innovation des infrastructures du réseau sans fil. C'était lors de la cérémonie desGlobal Telecoms Business Awards qui s'est déroulée au Sheraton Park Lane Hotel, à Londres, le 9 septembre.
Ce rendez-vous récompense chaque année les projets innovateurs des opérateurs télécoms du monde entier. Près de 200 personnalités internationales de l'industrie ont assisté à la cérémonie.
Le service réseau unique permet à près de 500 millions de clients, à l'heure actuelle, de recevoir et d'appeler sans coût supplémentaire lorsqu'ils traversent des frontières géographiques. Ils n'ont donc pas besoin de payer le frais de roaming. Ce service est aujourd'hui disponible pour les clients Zain dans 16 pays reliés au réseau unique. Madagascar ne fait pas encore partie de ce réseau et attend encore la mise en place des dispositifs de règlementation nécessaires.
«En plus du réseau unique, les clients ont aussi la possibilité de recharger leurs cartes prépayées en achetant du crédit dans plus d'un million de points de vente dans les pays où le réseau unique est opérationnel», précise un responsable au sein de Zain Madagascar.
Le one network a été inauguré en septembre 2006 au Kenya, en Tanzanie et en Ouganda. Il fut ensuite étendu à neuf autres pays africains tandis que les opérations Zain en Irak, Bahreïn, Jordanie et Arabie Saoudite ont rejoint le réseau unique récemment.





Brèves
Glanures
Premiers résultats des examens à Ambohitsaina. Les premiers résultats des examens de la première session sont affichés à Ambohitsaina. Les départements Sociologie et Droit ont été les premiers à avoir sortis leurs résultats tandis que d'autres facultés viennent juste de débuter les épreuves. Les étudiants auront six mois de vacances avant d'entamer la prochaine rentrée universitaire.
Fête réussie pour le 3e âge à Toliara. La journée mondiale des personnes âgées célébrée à Toliara fut une réussite. Cette journée, dédiée à la mobilisation et à la sensibilisation, a vu la participation de milliers de zokiolona issus de la province de Toliara.
Lutte contre la bilharziose dans l'itasy. La région Itasy accueillera, à partir de lundi prochain, une campagne de distribution de médicaments pour combattre la bilharziose. Elle sera pilotée par l'Organisation mondiale de la santé en appui au ministère de la Santé.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpivarotra vato voatafika. Mody hivarotra vato no anton-dian'ireto jiolahy tao amin'ny tokantrano iray teny Ambolokandrina, ny 30 septambra teo. Nefa nony nampandrosoina dia norahonany ny basy ilay renim-pianakaviana tompon-trano. Nahantso vonjy ihany ity farany ka vaky tady nandositra ireo jiolahy. Ilay rangahy tompon-trano kosa naratra voakapoky ny vodi-basy nandritra ny fifampitolomany tamin'ireo olon-dratsy.
Olona valo voasambotra. Efa misy mangirana kely ny famotorana momba ilay fanafihan-jiolahy narahina vonoan'olona tao amin'ny biraon'ny Angap tao Ranohira, ny alin'ny 25 septambra 2008 teo. Olona valo no voasambotra ka mpiambina ny roa. Mpiambina roalahy tao amin'ity toerana ity moa no maty tsy tra-drano tamin'izany, novonoin'ireo olon-dratsy ary kofra nisy Lelavola 5 tapitrisa ariary sy fiara 4x4 iray no very.
Zaza novonoina. Notapahin'ity renim-pianakaviana iray mihitsy, tao Ampaho, kaominina ambanivohitr'i Bevoay, distrikan'i Tolagnaro, ny lohan'ilay zaza enin-taona nahatratra azy nangalatra. Halatra atody no nahatraran'ity zaza ity azy. Efa voasambotra ary natolotra ny zandary ao an-toerana ity renim-pianakaviana nahavanon-doza.
Dahalo maty voatifitra. Tao amin'ny trano haolo iray tao Mahasoa, distrikan'Ihosy, ny 29 septambra teo, no nahatraran'ny zandary an'ity dahalo raindahiny mpanao fanafihana sy mpamono olona iray. Nandositra izy nony tonga hisambotra azy ireo zandary ka voatery notifirina. Kartie mobily avy ao Malandy no efa matiny.
Nangonin'i




Anosy
Nadio tampoka ny sisin-dalana
Nadio tampoka ny sisin-dalana tamin'iny faritra manodidina ny lapan'ny Fitsarana Anosy iny, omaly, nandritra ny fitokanana ny tranoben'ny Fitsarana an-tampony tao Anosy. Tsy hita teny mihitsy ireo mpivarotra isan-karazany izay mameno sy mibahana isan'andro ny sisin-dalana. Na iray aza tsy tazana teny mihitsy, fa samy voailika vao maraina.
Nanomboka taty ambadiky ny minisiteran'ny Fambolena ka hatrany amin'ny faran'ny tambohon'ny lapan'ny Fitsarana. Na ny teny am-pita, amin'ny sisin-dalan'ny hopitaly HJRA Ampefiloha ihany koa aza, dia tsy nahitana mpivarotra mihitsy.
Hay izany mety madio toy izany ihany ireny sisin-dalana ireny !




Anatihazo-Isotry
Miray hina ny mponina
Mafy orina ny firaisan-kinan'ny fokonolona amin'ny fametrahana ny fifanampiana ao Anatihazo Isotry, vakim-paritra afovoany andrefana.
Voin-kava-mahatratra. Mipetraka tokoa izany raha ny zava-misy ataon'ireo mponina ao amin'ny fokontanin'Anatihazo Isotry, ao amin'ny vakim-paritra afovoany andrefana.
Raha misy mponina ao aminy tra-boina mantsy dia raikitra, ankoatra izay ataon'ny fokontany, ny tsipaipaika.
« Mbola matanjaka ato aminay izany hoe fihavanam-pokonolona izany. Izahay ato amin'ity vakim-paritra ity mihitsy no nandray an-tanana ny fanatanterahana izany. Tetezina isan-tokantrano ny olona. Ary angatahina izay foiny. Tsy an-tery ny fanaovana
izany fa an-tsitrapo », hoy Ravalison Jacky, filoha nofidian'ny mponina hitarika izany, ao amin'ity vakim-paritra ity. Dia izay vola voaangona eo no atolotra ilay olona tratry ny voina.
Fahafatesana, fitsaboana, voina voajanahary na loza tsy nahy (hain-trano, ohatra)... amin'izany rehetra izany no hanatanterahan'ireo mponina an'ity fitia tsy mba hetra ity.
Mafy orina
Vata kely izay no fitaovana hanangonan'izy ireo ny tsipaipaika, ary apetaka eo amboniny, raha handeha handom-baravarana ny taratasy fampilazana amin'ny fokonolona. Saronana an'iny taratasy iny ny hidin'ilay vatakely. Ka tsy sokafana raha tsy efa handeha hanolotra azy an'ilay olona tra-pahasahiranana.
« Mbola mafy orina mihitsy izany fehim-pihavanana izany raha aty aminay. Mahavita mandray an-tanana ny fikarakarana lamba na fiara ho an'izay olona tra-pahoriana ny fokonolona raha hita fa tojo fahasahiranam-be ilay olona », hoy Ravaonasolo Bernardette, renim-pianakaviana iray ao an-toerana sady tompon'andraikitra amin'ny fanangonana an'ity fanampiana ity. Ny mponina koa tsy mitaraina hakana izany fa dia samy mandrotsaka am-pifaliana, raha ny fanazavany.
Nosoritan-dRavalison Jacky, fa hatramin'ny asa sosialy fanatsarana ny fiainan'ny mponina andavan'andro dia vitan'ireo mponina ao an-toerana amin'ity fanaovan-tsipaipaika ity. Eo ny fanadiovana ny lakan-drano, ny fikarakarana ny lalan-kely simba... « Na ny tanora aza ato aminay, manana ny fehim-pihavanana azy manokana ihany koa », hoy izy nanamafy.





Nosy Be
Le cadavre d'un matelot repêché
Le 1er octobre, vers 11 heures du matin, le chef du fokontany d'Ambondrona a repéré un cadavre qui flottait au large de l'île de Nosy Be. Aussitôt, il a alerté la brigade nautique. Descendus sur les lieux, des éléments de cette unité spécialisée de la gendarmerie nationale ont récupéré le corps.
Remonté à la surface, il a été emmené sur la place de Madirokely. L'examen du médecin légiste a révélé une blessure au niveau de l'oeil du défunt, son crâne présentait une plaie profonde. Un téléphone portable et une somme de 280 000 ariary ont été trouvés sur lui. Le constat a été fait en présence du procureur de la République, du commandant de la compagnie de la gendarmerie, et du chef de la région de Diana.
D'après l'enquête, il s'agit d'un matelot mécanicien, de 34 ans, et de nationalité malgache. La dépouille a été remise à la famille le jour même de la découverte macabre. La compagnie de la gendarmerie de Nosy Be se charge de l'enquête.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Hita ilay kaofran'ny Angap. Tany anaty ala tany amin'iny faritr'Ilakaka iny, omaly maraina, no nahitàna an'ilay kaofran'ny Angap nangalarin'ireo jiolahy nandritra ny fanafihana nataony tao Ranohira ny 25 septambra teo. Mpandalo iray tao an-tanàna no nahita azy.
Voaelingelina ny mpanao famotorana. Sady nanao famotorana ireo voarohirohy ho nanongam-panjakana sy nikasa hamono ny filoham-pirenena ireo zandary tao Fiadanana no nanao famotorana ireo namany ihany koa. Izany ny fanazavana nomen'ny komanda Tahiana Ramaroson
Olona iray matin'ny lozam-pifamoivoizana. Nandeha ho azy teo am-pijanonana teo, omaly tolakandro, tao an-drenivohitr'i Fianarantsoa, akaikin'ny tsenan'Atalata, ilay fiara 4x4 iray teo amoron-dalana. Olona telo mpivarotra paraky no nohoseny ka ny iray no namoy ny ainy.
Nangonin'i




Ambohidahy
Lehilahy nakarapoky ny hazo notapahiny
Mba tsy naninona ilay lehilahy nadaraboky ny tady nitazona ny hazo notapahiny tao amin'ny Fitsarana avo, omaly maraina. Nasavoanany avo vao natontony.
Zava-doza no nitranga tetsy Ambohidahy, omaly maraina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, no nadaraboky ny hazo notapahiny ka nitsirara teo amin'ny arabe.
Notaritina tamin'ny tady mantsy ilay vatan-kazo, rehefa voakapa avy teny ambony teny, ka mpiasa teo amin'ny efa-dahy teo izy ireo no indray nisintona izany avy tety ambany, teo amin'ny fiantsonan'ny fiara ampitan'ny Fitsarana avo.
Nihilana ilay hazo
Nokendrena hianjera taty amin'ny arabe mantsy ilay vatan-kazo notapahina. Kanjo nihilana ilay izy ka nihodina nianjera tany amin'ny faritry ny Fitsarana avo.
Tamin'izay no nisintona ilay tady nohazoniny ireo mpiasa tety ambany. Izay no nahavoa an'ity lehilahy ity satria tsy mba navotsony toy ny an'ireo namany ny tanany. Ary rehefa nilatsaka ny hazo dia iny izy no nidaraboka.
« Maty, maty », hoy ny fihoraky ny manodidina nahita maso ny zava-nitranga.
Samy tsy nisy nahetsika fa samy nivanaka kely teo daholo. Torana tsy nahetsika teo ilay lehilahy ka niolomay nibata azy ireo namany.
Nentina tao amin'ny faritry ny Fitsarana avo ilay naratra novelombelomina vonjimaika, izay vao nentina tany amin'ny hopitaly. Soa ihany anefa fa tsy naninona izy. Afaka nody avy hatrany rehefa nahazo ny fitsaboana sahazy azy. Na izany aza nalemilemy ihany izy vao tafatsangana.
Mpiasa tsotra nokaramaina hanapaka ireo hazo avo natahorana hianjera tao amin'ny Fitsarana izy ireto.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Vehivavy tratra nitondra toaka gasy. Toaka gasy 216 litatra, nifono gony dimy, no indray nentin'ity renim-pianakaviana iray, nafatrany tao anaty fiara Mazda. Saika hampidiriny teto an-drenivohitra, ny 30 septambra teo. Ireny tavoahangy plastika 1,5 litatra ireny, niisa 144, no nasiany azy. Hipiky ny toaka. Fandoavan-damandy any amin'ny Trésor moa no sazin'ity renim-pianakaviana ity ary ho dorana daholo ny toaka.
Roalahy voaheloka hanao asa an-terivozona 20 taona. Gadra nahazo alalana hiasa ivelan'ny fonja teto an-drenivohitra no nanafika teratany karana tany Mahajanga ny 17 desambra teo. Notsaraina omaly izy ireo, ka sazy henjana, 20 taona asa an-terivozona, no nampiharin'ny Fitsarana taminy.
Nangonin'i




Zandarimariam-pirenena
Napetraka ny fepetra amin'ny lalam-pirenena fahefatra
Noho ny fisesisesin'ireo asan-jiolahy amin'ny fanafihana fiara mpitatitra amin'iny lalam-pirenena fahefatra iny dia nandray fepetra manokana hiarovana ireo mpampiasa iny lalana iny ny eo anivon'ny zandarimariam-pirenena avy ato amin'ny vondron-tobim-paritra Imerina afovoany.
Fepetra voalohany noraisin'izy ireo tamin'izany ny fametrahana zandary ao Ambohidambinina, 78 kilometra avy aty Antananarivo na valo kilometatra miala an'Ankazobe. Fepetra faharoa, hisy ihany koa ny zandary vonona hanaraka ireo fiara fitaterana manomboka eo amin'ny toeram-pisavana fiara eo Alakamisy Ambohidratrimo raha hidina ho any amin'ny faritany, ary eo amin'ny tobin-janaparitra Manerinerina kosa raha hiakatra ho aty an-drenivohitra.
Farany, nametraka laharan-tariby mazava ahazoana mifandray aminy ny zandarimariam-pirenena avy ato amin'ny vondron-tobim-paritra Imerina Afovoany, izay toy izao manaraka izao : Mahamasina : 22 74029 na 22 343 49 na 22 299 99, Imerina Afovoany na Ankadilalana : 032 05 520 73 na 034 09 484 47 na 033 02 541 16, borigadin'i
Talatamaty : 24 351 39, Ambohidratrimo : 24 349 67, Mahitsy : 24 344 50, Ankazobe : 032 50 232 05 na 033 12 633 00, Fihaonana : 032 40 155 15, paositry ny zandary ao Manerinerina : 033 08 290 81 na 033 17 269 06, Antolojanahary : 033 06 639 58.




Behoririka
Lehilahy tratra nangalatra kaonteran'ny Jirama
Teo am-pamahana ny kaonteran'ny Jirama mihitsy ity lehilahy iray no tratran'ilay renim-pianakaviana tompon'ny trano, tao Behoririka. Tsy nampoiziny mihitsy ny nahatarafan'ity vehivavy ity ny fihetsiny. Nilaza ho mpiasan'ny Jirama mantsy ny lehilahy, ka tsy nisalasala nampandroso azy ilay renim-pianakaviana. Hijery sy hanamarina ny fandehan'ny fihodinan'ny kaontera no nambarany fa anton-diany. Hay ranamana namoaka fitaovana ka namaha tsimoramora ny visy teo amin'ilay kaontera.
Taitra ilay renim-pianakaviana satria sendra tsipalony tampoka ny fihetsik'ity olona. Nampamahina azy ny nataony ka lasa izy nikoropaka nampandre ny manodidina. Voaantso hatramin'ny tompon'andraikitra tao amin'ny fokontany mihitsy. Taitra ilay lehilahy raha nandre izany ka niolomay nitady lalan-kivoahana. Navelany teo ny fitaovany fa ny hanavotra ny ainy no nataony.
Efa nisy fokonolona tonga anefa teo ka tsy lasan-davitra izy dia tratra. Voasambotry ny fokonolona. Tratra teo, araka izany, ny fitaovana fanapaham-by, famahana visy, tapaka hareza ary tsofam-by.
Niaiky izy fa nikasa hangalatra ilay fitaovan'ny orinasa Jirama. Nambarany ihany koa fa tsy mpiasa ao amin'ity orinasa ity izy. Ny kary tokoa no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo. Mazàna mantsy, raha misy fahaverezan'ny fitaovan'ny orinasa toy itony, dia ny mpiasan'ny Jirama ihany no mahazo loza. Fitaovan'ny orinasa manokana, tsy amidy toy ny entam-barotra eny amin'ny magazay itony kaontera itony fa ny orinasa ihany no miantoka azy rehefa misy jiro na rano ampidirin'ny tokantrano iray.




Fambolena
Ar 4000 ny karaman'ny mpanetsa izao
Efatra arivo ariary ny karaman'ny mpanetsa iray andro. Niakatra izany raha oharina tamin'ny taon-dasa, saingy tsy mbola mifanaraka ny fiakaran'ny vidim-piainana.
Mahatratra 4 000 ariary eo ny karaman'ny mpanetsa iray andro, satria 2 000 ariary amin'izao fotoana izao ny manetsa tapak'andro, raha 1 500 ariary izany teo aloha. Miditra amin'ny 6 ora maraina ka tsy mijanona raha tsy amin'ny 1ora na amin'ny 2 ora tolakandro.
Mitady karama hafa
Dia mitady karama hafa indray ny mpanetsa avy eo ka mbola mahazo 2 000 ariary indray na midina kely any amin'ny 1 500 ariary any amin'ny hariva. Raha atambatra izay dia mahazo any amin'ny 4 000 ariary eo ny mpanetsa iray ao anatin'ny iray andro.Ny tompon-tanimbary manarama no miantoka ny sakafo antoandro.
Niakatra ny karama, raha ny fanazavan'i Eliane, renim-pianakaviana iray mpikarama manetsa eny Anosimanjaka. Saingy tsy maharaka ny fiakaran'ny vidim-piainana izany. Ny vidim-bary fotsiny no efa mahatratra 1 000 ariary ny kilao amin'ny farany ambany. « Ao anatin'ny fitadiavam-bola daholo izany rehetra izany. Tsy asa raikitra io fa amin'ny fotoam-panetsana ihany », hoy i Eliane. Tsy manana anton'asa raikitra mantsy izy, fa mandeha mitady karama araka ny fotoana sy ny zava-misy.
« Mpamboly aho, saingy tsy ampy hamelomana ny ankohonana izany ka tsy maintsy mitady asa hafa. Mitaom-biriky ohatra, amin'ny fotoana fanaovam-biriky, na manetsa rehefa tonga ny fotoan'izany », hoy ihany izy. Manambady, niteraka iray i Eliane.
Mifoha amin'ny 5 ora sy sasany eo, mikarakara ny nahandro maraina, mamahana sy mametraka ny sakafon-jaza dia lasa. Miainga amin'ny 6 ora maraina rehefa hikarama. Apetraka amin'ny renibeny ny zaza dia lasa. Tsy mody raha tsy ny tolakandro. « Noho ny zanako mbola kely dia tsy afaka mitady karama hafa intsony aho ny tolakandro. Tonga aho dia mody mikarakaka ny tokantranoko : mantsaka rano, mitoto vary. Manao fambolena kely koa », hoy izy.
Nosoritany fa raha maromaro ny mpanetsa dia vita tapak'andro ny ketsan'olona iray. Ary eo izay afaka no lasa mitady karama hafa indray.





Mamalan-kira indray i Vanf
Ny "Rebik'ondry", omaly sy anio
Firy amin'ireo sorena amin'ny fitondrana ankehitriny no tsy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 2002 ? Firy amin'ireo mitonona ho mpanohitra ankehitriny no tsy nikabary teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 2002 ? Ny ankamaroan'ireo milaza fa leo ankehitriny dia nitandahatra an-dalambe ary nanemitra ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 2002. Ny androantokon'ny mpanohitra ankehitriny dia tandapa tao Ambohitsorohitra fony mbola tsy nalazo ny ravina niarahana nihinana.
Ary tsy tamin'ny 2002 ihany fa efa tamin'ny 1991 sy tamin'ny 1972. Fomba efa hita izay naharatsy azy : fitokonana lava reny nefa andraisan-karama, mitarika raharaham-pirenena mikatso, toe-karena mitotongana, hasim-panjakana voazimbazimba. Ny seza fiandrianana katsahina hodimbiasana moa no hosoram-potaka sy andrehofana ka aiza no tsy ho voan'ny tamberintany !
Olona firifiry akory no niedinedina nifamotoana isan'andro teny amin'ny « 13 mai ». Naneso aza ny sasany raha nifanena aminay tsy mba mpidina an-dalambe na 1972, na 1991 na 2002. Nihevitra tokoa izy ireny fa hanova ny rasa, hamerina ny rariny, handavo ny jadona, hampandresy ny demokrasia, hametraka ny « Fanjakan'ny madinika », handrava ny mandan'i Jeriko, hanapoaka ny tako-bilany ! Fahadisoam-panantentana hatrany no setriny ka ny tena mahagaga dia ny kiry hirotaka hatrany eny amin'ny « 13 mai ».
Tsy mba tsapan'ireny « mpitolona » ireny tokoa fa izy ihany no nampahazo vahana ny « safidy sosialista » nanomboka tamin'ny 1972 ary naharevo an-dRatsiraka. Mbola izy ireny ihany no nitondra niakatra ny « Hery Velona » sy ny kitoatoa nahavoa ny sakodim-panina niafara tamin'ny
« empêchement » ady an-trano nahalavo an'i Zafy. Mbola izy ireny hatrany no nivavabavaka tsy hay tohaina nanao ho Andriamanitra an-dRavalomanana.
Raha nihoaran'ny Nosy manodidina i Madagasikara dia tsy tsinin'izay nitondra nifanesy teo samy irery fa adidin'ny vahoakan'ny kianjan'ny 13 mey ihany koa. Raha natao batisa Ranavalona II sy Rainilaiarivony tamin'ny 1869 dia nanao
« Rebik'ondry » nanara-kefa ny Mpanjaka sy ny Praministra ny vahoaka rehetra : tsy nisy fandinihina, tsy nisy eritreritra, tsy nisy faharesen-dahatra. « Rebik'ondry » no nitranga tamin'ny nandorana ny Lapan'ny Tanana tamin'ny 1972, « Rebik'ondry » no nahavitan'ny sasany namono tena tamin'ny 10 aogositra 1991, « Rebik'ondry » no nampitsabahana ny Afrikana tamin'ny raharahan-tokantranon'ny Gasy tamin'ny 2002.
Sitrapon'i Kamisy izay mitranga ankehitriny. Any amin'ny firenen-kafa nitaiza ny olom-pireneny tamin'ny toe-tsaina demokratika, am-polon-taona maro, dia tsy jadona sady tsy tokam-po ny fitondrana ka tsy tampin-dalan-kaleha ny vahoaka. Andrianampoinimerina, ilay Andriamanjaka mbola tanisaina mandrak'androany ny Tantarany, dia
« Manjakatsiroa » saingy nialohavan'ny « Antenimiera » hatrany. Tsy ny fitadiavana « Mesia » vaovao hafa indray nefa mbola ho tsy hay atoro, tsy hita anarina, tsy azo disoina, no hampitombina ny demokrasia. Ao an-tsain'ny vahoaka malagasy, isan-tokantrano fa tsy sanatria indray ka mbola eny amin'ny kianjan'ny 13 mey, no manomboka ny « toe-tsaina demokratika » : mahalala fa tsy mino fotsiny ihany, mandanjalanja fa tsy bontolo, manana hazon-damosina fa tsy mpanao « Rebik'ondry ».




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpanera nanendaka. Mody niadian'ireto mpanera telolahy ity lehilahy mpandeha saika handeha fiara mpitatitra iray ho eny Antanifotsy, nefa nendahiny. Nalain'izy ireo an-keriny ny akanjo mafana teny an-koditr'ilay mpandeha iray ary lasany ny lelavola mitentina 150 000 ariary. Nirifatra nandositra izy ireo nony avy eo.
Tovolahy tratra nanosika moto. Tsy tratra fa nazeran'ity tovolahy iray teo amin'ny ampovoan'arabe, teny Anosizato, ny alarobia 1 oktobra teo, ilay moto scooter natosiny raha vao nahatazana ireo polisy tamy nanatona azy izy. Iny izy no nilefa nandositra. Hisava azy no anton-dian'ireo polisy tamin'io fotoana io.
Mpianatra niady. Tamin'ny fotoana tsy nampoizin'ity zazalahy iray, teo Antaninandro no nobatain'ilay iray niady taminy izy. Nasavoanany ambony ary natsatony tamin'ny tany ny lohany. Torana kely tsy nahetsika ilay voa teo ary ny polisy no tonga namonjy azy. Ilay namono kosa toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny, nizotra tsimoramora niaraka tamin'ny namany.
Lasan'ny mpangalatra ny vilany. Tsy ren'ireo tompon-trano tao Ankadifotsy mihitsy, ny herinandro teo, no nihanihan'ny jiolahy mpangalatra ny tambohony ka nitsehany ny «seau» sy ny vilany teo an-tokontany. Efa hampiditra entana amin'ny hariva ny tompon-trano vao zendana nahita ny fitaovany tsy teo amin'ny fitoerany intsony.
Nangonin'i




Andohatapenaka
Lehilahy maty voatsatok'antsy
Ny tendrim-po tsy mba namana ary ny nenina tsy eo aloha fa ao afara. Niantefa tamin'ity renim-pianakaviana iray, monina eny Andohatapenaka, voalaza fa namono ny vadiny tamin'ny alalan'ny tsindron'antsy, izany fitenenana izany, raha ny zava-nisy teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ny zoma maraina teo.
Izy ihany mantsy, raha ny fanazavan'ireo fianakaviany tonga teny amin'ny hopitaly, no namono nahafaty ny vadiny.
Tsy fantatra izay zava-niseho teo amin'izy ireo fa nisy faritra loaka be teo amin'ny tendan'ilay raim-pianakaviana. Niboiboika ny rà avy teo ary vonto mihitsy ilay raim-pianakaviana.
Tokony ho tany amin'ny iray ora maraina tany, raha ny fanazavan'ireo fianakaviana ihany, no nisehoan'izany tarehin-javatra rehetra izany.
Niezaka niantso vonjy tamin'ny manodidina ihany izy nony avy teo nitondra ny vadiny ho any amin'ny hopitaly. Nefa tsy hita notsaboina intsony ilay rangahy fa namoy ny ainy.
Ranomaso fotsiny sisa ny an'ilay renim-pianakaviana no nipatrapatraka. Asa tsy nampoiziny hahafaty am-badiny angamba ny zavatra nataony.
Tsy naharitra ela ihany koa fa teo ihany, izy, rehefa nazava ny andro, dia noraisin'ny polisy avy ao amin'ny sampana heloka bevava etsy Anosy.




Ampasampito
Rotiky ny afo ny lohan'ilay kamiao
Kamiao iray nitondra soavaly hazo no nirehitra teny Ampasampito ny asabotsy teo. Naratra ny mpamily azy.
Hatairana ny an'ireo mponina teny Ampasampito, ny asabotsy maraina teo tokony ho tamin'ny 7 ora tany. Kamiao iray nitondra soavaly hazo no nidedaka tampoka teny am-pandehanana. "Nipoaka be ilay izy dia nidonaka namoaka setroka mainty be. Dia namoaka lelafo be avy teo", hoy i Mamy mpivarotra eo an-toerana.
Vetivety mihitsy, raha ny fanazavany, ny fidedahan'ilay afo satria poa toy izay dia fefika lelafo mena be ny lohan'ny fiara. Ilay mpamily aza moa, raha ny fanazavan'ireo teo amin'ny manodidina, saika tsy tafavoaka ny varavaran'ny fiara fa ny olona tety ivelany no nanampy namoha ny varavarana sy nisintona azy haingana hivoaka tao. Voalazan'ireo nahita moa fa main'ny afo ny tarehiny ary nentina haingana novonjena tany amin'ny hopitaly .
Poa toy izay ny firohotr'ireo fokonolona nijery. Tsy nahita izay hatao fa dia nitazana fotsiny. Nisy ihany ny sasany, nampian'ny mpanampy ny mpamily, niakatra avy tao aorianan'ilay kamiao namoaka haingana an'ireo soavaly hazo tao anatiny mba tsy hitaran'ny afo. Ny sasany kosa nian-tso avy hatrany ny mpamonjy voina.
«Tsy hita izay hosarangotina hamonoana ilay afo. Fa sady tsy nisy fasika teto moa ilay lelafo ihany koa tena niredareda be», hoy indray Félix, tovolahy iray teo an-toerana nanontaniana. Soa ihany fa haingana ny famonjen'ny mpamonjy voina satria minitra vitsy taorian'ny nirehetan'ilay kamiao dia efa tonga izy ireo.
Tsy laitra niainana, araka izany, ny filaharam-ben'ny fiara tamin'iny faritra iny. Tamin'ny fotoana nirehetan'ny afo aza moa dia tapaka tanteraka mihitsy ny fifamoivoizana.
Potika tsy nisy noraisina moa ny lohan'ilay kamiao. Raha ny fanazavan'ny mpanampy an'ilay kamiao moa dia vokatry ny fifandraisan'ny tariby mitondra herin'aratra avy tao amin'ny «batterie»-n'ilay fiara no nahatonga ny loza.





Andravoahangy
Dokera tratra nifoka rongony
Tsy nisy azon'ity tovolahy iray nialana intsony ny fipoiran'ny polisy nanao fisafoana ny tanàna tao amin'ny elakela-trano iray teny Andravoahangy, ny alarobia teo. Izy nankafy teo am-pisintonana ny rongoniny iny mantsy no tratry ny polisy. Tsy nahetsika izy fa dia noraisim-potsiny.
Amin'ny andro antoandro be nanahary mihitsy ny anao lahy izany nifoka rongony ka tratry ny polisy izany. Mpikarama mibata entana no voalaza fa asan-dranamana. Vita ny raharahany izany dia lasa izy maka aina manao ny ataony. Kanjo dia izao tratry ny polisy izao. Mbola nahitana fonosan-drongony maromaro ihany koa teny aminy tamin'izany.
Raha ny fanazavana nomen'ny polisy dia efa indroa nigadra ity lehilahy ity. Tratra nanao herisetra teny Analakely tamin'ny taona 2002 ary mbola ity fifohana rongony ity ihany koa no nahatrarana azy farany teo. Nigadra tamin'ireo izy ary ny tapaky ny taona 2006 iny izy no nivoaka ny fonja. Dia izao tratra fanintelony izao indray. Nosamborina moa ny lehilahy ary natolotra ny Fampanoavana indray.




Ankasina
Nalefa nody ilay nolazaina ho jiolahy
Omaly tolakandro, nanodidina ny tamin'ny efatra ora, no nalefan'ny polisy misahana ny fanadihadiana ny heloka bevava nody Rakotondranaivo Jean Noël (31 taona), ny alarobia maraina teo. Zokin-dRakotondranaivo Jean Bosco notifirin'ny polisin'ny GIR teny Ankasina izy, ka nolazainy hoe jiolahy.
Raha ny vaovao re, satria tsy nisy nipika ny raharaha teo anivon'ireo polisy nanao ny famotorana, dia miandry ny rahalahiny, i Bosco, ho sitrana izy vao hatolotra ny Fampanoavana. Tsaboina eny amin'ny hopitaly moa izy ity. Tsy maintsy mbola hatao famotorana ihany koa ity rahalahiny ity. Saingy tsy fantatra ny fotoana ahasitranany, hahafahana maka am-bavany azy ka izay no antony nandefasana azy nody.
Tetsy ankilan'izany anefa, ny zava-nisy teo anoloan'ny biraon'ny polisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy dia tomefy olona ny tokontanin'ny biraon'ny polisy. Saika tonga teny avokoa ireo fokonolona avy ao Ankasina izay nahafantatra tsara ny fiainan'izy mirahalahy nolazaina fa jiolahy ireto.
« Tsy mitabataba izahay fa miandry ny rariny eto », hoy izy ireo. « Olona tsy nitondra na tapa-panjaitra iray aza, nefa nolazain'ny polisy fa jiolahy. Dia nalaina sary nampilanjaina izao fitaovam-piadiana tsy fantatra hoe avy aiza izao », hoy ny fimonomonon'izy ireo.
Nosoritan'izy ireo fa hijery ny rahalahiny nosamborin'ny polisy, niaraka tamin'ny fokonolona teny Tsaralalàna, no anton-dian'i Jean Noël tamin'io fotoana io. Nefa dia nosamborina izy. Nolazaina fa jiolahy ary nambara fa nitsikilokilo teny an-toerana, araka ny vaovao naeliny tamin'ny mpanao gazety. Ny teo anivon'ny polisy moa raha nanontaniana an'izany dia tsy nety naneho ny heviny. « Manahirana mihitsy ity raharaha ity », izay no nasetrin'ny manamboninahitry ny polisy iray izay tsy nanaiky ny hotononina anarana. Ho hita eo ny tohin'ny raharaha.




Antaninarenina
Maloto ny manodidina
Tsy misy toeram-pivoahana eny amin'ny manodidina an'Antaninarenina ka maloto tokoa.
Fofona ratsy no re rehefa injay mitsoka ny rivotra ka mipetrapetraka amin'iny faritra manodidina an'Antaninarenina iny. Ny eo amin'ny zaridaina mba eo ho eo ihany, fa amin'iny fiantsonan'ny fiarakodia
eo ambany iny ka mandrapahatonga any amin'ny arabe rehetra any dia tsy laitra mihitsy. Mavoroka, araka ny filazan'ny sasany azy.
Ireo olona tsy manan-kialofana manao ny ataony, fa manampy trotraka izany ihany koa ny mpandalo. Raha ny fanazavan'ity renim-pianakaviana mpivarotra iray, dia noho ny tsy fisian'ny toeram-pivoahana intsony eny amin'iny faritra iny no anton'izany. « Poritra ny olona dia eny ambodihazo sy eny anelanelan'ny fiara mijanona eny izy no manao ny ataony. Izany na dia amin'ny antoandrobe nanahary izao aza », hoy izy.
Tamin'ny fanadihadiana natao teny an-toerana aza moa, tsy tahotra tsy henatra mihitsy ity rangahy iray mpipetrapetraka eny amin'iny faritra iny, no milaza mazava raha nanontaniana izay handehanana hivalanan-drano eny an-toerana.
« Ianao moa saron-kenatra, fa mandehana mankany anelanelan'ny fiara eny, na eny am-bodihazo eny. Eny daholo ny olona ety no mandeha. Ianao ve handeha hidina eny Analakely eny indray nefa ety no poritra » hoy izy tsy nihafahafaha.
Tsy misy fihafahafana
Noheverin-dranamana ho poritra ka nitady toeram-pivoahana angamba ny anton-dian'ny mpanao gazety teny an-toerana. Hany ka tsy nihambahamba izy nitsatsaingoka niteny izany.
Dia na ny vehivavy aza izany eny amin'iny toerana iny, raha izay no jerena, dia tsy misy fihafahafana mihitsy fa dia mipetraka mitorovoka eny manao ny ataony.
Izany rehetra izany midika fa ilain'ny olona ny toeram-pivoahana !
Nanamafy izany ireo mpivarotra eny an-toerana. « Tena fijaliana mihitsy ny anay amin'ity toeram-pivoahana ity rehefa poritra. Tsy maintsy mandeha midina eny Analakely. Izahay moa dia mahavatra mihafy tsy misotro rano mihitsy mba tsy handehanana hivoahana matetika satria tsy laitra ny miaka-midina eo », hoy R Liva, mpivarotra lamba vita zaitra eo an-toerana.
Tsara marihina anefa fa anisan'ny toerana mahafinaritra ary mahasarika olona betsaka tokoa iny Antaninarenina iny. Indrindra moa rehefa amin'ny alina amin'ny faran'ny herinandro iny. Be ny mpiala voly eny. Ireny olona rehetra ireny anefa manana ny fahaporetany avokoa.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Voaheloka 30 volana ry Bolo sy ny namany. Nohelohin'ny fitsarana higadra 30 volana an-tranomaizina daholo ireo olona voampanga rehetra niaraka tamin'i commissaire Bolo. Ilay fikasana hangalatra fitaovam-piadiana teny amin'ny toby miaramila teny amin'ny 1er RTS, ny 4 oktobra 2007 teo, no nitsarana azy ireo.
Trano hazo kila forehitra. Tsy nisy noraisina ilay trano hazo lehibe teny Anjanahary nodedahan'ny afo, omaly tolakandro. Ipetrahana fianakaviana efatra samihafa izy io. Lehilahy iray izay niady tamin'ny vadiny no voalaza fa nandoro ny trano.
Tovolahy maty an-drano. 25 minitra no nikarohan'ny mpamonjy voina ny fatin'ilay tovolahy mpivarotra briquet maty an-drano teny Ankaditoho Anosizato, omaly maraina. Nilalao rano teny an-toerana izy sy ny namany iray. Saingy sendra lava-biriky izy.
Taribin'ny Jirama 12 kilao tratra. Mpiambina ny orinasa Jirama ihany no sarona tamin'ny fangalarana ny taribin-jiron'ny Jirama tao Ambohimanambola. Entana tao amin'ny fitehirizan'entana tao an-toerana ireo saika haondrana ireo.
Nangonin'i




Fahadiovana
Ho saziana ny manao maloto an-dalambe
« Tsy mandefitra amin'ireo izay manao maloto eny an-dalambe ny eo anivon'ny polisim-pirenena. Efa misy lalàna mipetraka mihitsy mantsy izy io ary miasa misambotra sy manafay izay tratra amin'izany hatrany izahay. Saingy mbola betsaka ireo olona minia manao
izany ». Izay raha fehezina ny fanazavana nomen'ny commissaire central, Randrianatoandro Francis, mikasika ny fanajana ny fahadiovan'ny tanàna eto an-drenivohitra. Nosoritany fa tafiditra ao anatin'ny asan' ny polisy tsara ny fanatanterahana izany, amin'ilay fitandroana ny fahadiovana ho an'ny vahoaka.
Raha ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny fehezan-dalàna famaizana malagasy andininy 472, dia tsy hoe fampandoavana lamandy ihany, 400 ariary ka hatramin'ny 30 000 ariary, no sazy mety ho azon'ireo olona manao maloto eny an-dalambe ireo, fa tena miafara amin'ny fampidirana am-ponja mandritra ny folo andro mihitsy.
Fepetra horaisina mialoha ny tena hampiharana ny lalàna dia tsy maintsy hisy aloha ny fanentanana.




Fitadiavam-bola
Mandeha ny varotra lasary manga
Vokatra indray ny manga amin'izao fotoana izao. Mahalany manga 12 kilao isan'andro ny mpivarotra iray amin'izany.
Mahantra ny Malagasy, fa tsy ela amin'ny fitadiavam-bola ! Miroborobo fatratra mihitsy mantsy ankehitriny ny fivarotana lasary manga mandehandeha. Vokatra izy izao, ary dia saika mirona any daholo indray ny fitadiavam-bolan'ireo mpanao varotra an-tselika rehetra.
Tetehina lavalava ny manga dia atao anaty cellophane, ary entina miaraka aminy eny ny sira sy ny vinaingitra mbamin'ny sakay hihinanan'ny mpividy azy.
Dia mandeha tokoa anie ny tsena satria samy mankafy azy avokoa na kely na lehibe, na antitra na tanora, tsy olon-tsotra, tsy olo-mihaja satria dia misy hatramin'ireny mpiasa birao ireny no mahavatra mividy azy itony... Hatramin'ny lehilahy avy, mipetraka mividy an'izany.
Samy manana ny tiany
« Samy manana ny tiany mihitsy ny olona amin'izy ity. Ao ny tia ny mantamanta. Kanefa na izany aza, ny tena be mpankafy dia ilay izy somasoma manopy mavo tsara iny. Izany hoe ilay mamy marikivy », hoy i Fanja renim-pianakaviana mivarotra izany eny amin'iny faritr'Anosy iny.
Mivarotra no asa aman-draharahan'i Fanja. Mivarotra voanjo, fary, papay, lotisia ... Tsy misy entana raikitra io, raha ny fanazavany, fa izay zavatra misy sy vokatra manaraka ny vanim-potoana. Dia ireny no enjehina. « Tsy mivarotra izany amin'ny toerana iray aho fa entiko mandehandeha ny ahy.
Mamonjy birao, tsena, fety, na izay toerana vory olona », hoy izy. Mahavita dia an-tongotra hatrany amin'ny 5 kilometatra isan'andro any i Fanja amin'ity fitadiavam-bolany ity.
Momba ny lasary manga manokana, dia nosoritan'i Fanja fa mahalafo izany hatrany amin'ny 12 kilao any izy isan'andro. 400 ariary ny kilaon'ny manga izay vidiana eny Anosibe. « Ariary zato dia efa mahazo lasary », hoy izy.
Notsindriany fa amin'ny fivarotana sakafo toy izao dia zava-dehibe ny fahadiovana, satria io no tsy maintsy jeren'ny mpividy voalohany. « Tsy maintsy miezaka amin'izany aho mba hanintonako mpividy », hoy izy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zandary maty voatifitra. Teo amin'ny tratrany no niantefa ny bala ka nahafaty ny komandan'ny kaompanian'i Vangaindrano. Tao Soakibany, Midongy atsimo, no nahitana ny vatana mangatsiakany. Tsy fantatra marina izay nanjo azy na nisy nitifitra na namono tena satria samy feo niely tany an-toerana avokoa ireo. Namita iraka tany an-toerana mantsy izy. Efa manao ny fanadihadiana momba izany ny zandarimaria any an-toerana.
Teratany vahiny nisy nanafika. Ravan'ireo jiolahy tao amina teratany vahiny iray teny Ambohitsoa, omaly maraina tokony ho tamin'ny 11 ora, ny vatabe nisy lelavola sy antontan-taratasy mbamin'ny firavaka volamena. Dimy lahy nitonona ho mpiasan'ny Jirama no nanafika azy tamin'izany.
Mpandeha an-tongotra nodonin'ny fiara. Noho ny fifanenjehan'ireto taksibe roa teny amin'iny faritr'i Mahazoarivo iny no nampidi-doza tamina mpandeha an-tongotra roa. Nisokatra tampoka teny am-pande-hanana mantsy ny varavaran'ilay taksibe ka nikapoka ny lamosin'ireto mpandeha an-tongotra.Voadona mafy izy ireo ka nentina teny amin'ny hopitaly.
Nangonin'i




Toeram-ponenana
Te hanan-trano ireo tsy manan-kialofana
Toy ny olon-tsotra rehetra dia mba maniry hanan-trano fonenana ihany koa ireo tsy manan-kialofana. Miandrandra ny fanampian'ny fanjakana amin'izany izy ireo.
«Na dia trano kely aza misy ka onenanay dia efa tianay
izany ». Izany no hetahetan' ireo fianakaviana tsy manan-kialofana manorim-ponenana eny ambody rindrin' olona, amin'iny faritra manodidina an'Antanimena iny. Notsorin'izy ireo mantsy fa noho izay tsy fananany trano honenana izay no antony mahatonga azy ireo hipetraka eny ankalamanjana eny.
Hazo lavalava roa no alaina dia ahankin-drindrina ary iny no saronana cellophane. Dia izay no ipetrahana. « Hatao fatoriana fotsiny io fa eo ivelany eo izahay no mahandro
sakafo », hoy izy. Fito mianaka izy, raha ny fanazavan'i Adeline, renim-pianakaviana, no indray monina amin'izany trano cellophane izany. Olon-dehibe dimy ary ankizikely roa. Mpivady ny roa amin'izy ireo.
Andraikitry ny fanjakana
Notsorin'izy ireo fa tsy misy fantany izany andro iraisam-pirenena momba ny trano fonenana izany. « Hay ve misy an'izany e ? Ianao izao no mampahafantatra anay an'izany. Dia ahoana izany ? Hisy trano omen'ny fanjakana anay ve ? Izany izao no tokony hataon'ny fanjakana... », hoy izy ireo.
Nambaran'izy ireo mantsy fa raha izay vaovao tsy misy fantany mihitsy ny mikasika izany. Manana radio kely anefa izy ireo. Saingy notsoriny fa hirahira sy tantara ihany no mahaliana azy. Ka izay no tsy ahafantarany izay zava-miseho sy zava-misy firy eto amin'ny Firenena.
Avy any ambanivohitra any amin'iny faritra atsimon'ny renivohitra iny no nambaran-dRavao, renim-pianakaviana iray ao amin'ity fianakaviana kely ity, ho fihavian'izy ireo. Saingy noho ny fitadiavana dia niakatra taty
an-drenivohitra izy mianakavy kely nitady fivelomana.
« Na tany aza tsy anananay, mainka fa izay trano
fonenana », hoy izy.
Ho an'ny kaominin' Antananarivo renivohitra manokana dia isan'ny tanjon'ny fanjakana amin'izao fotoana izao ny hahazoan' ny tsirairay toeram-ponenana.
Nivoitra nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny toeram-ponenana tany Antsirabe izany, araka ny fanazavan'ny lefitry ny ben'ny tanàna, Ratsivalaka Michelle. Nosoritany fa tsy anjaran'ny kaominina irery ny fikatsahana trano fonenana ho an'ireo tsy manan-kialofana fa tokony ho raharahan'ny fanjakana mihitsy.
« Miala avy any amin'ny kaominina any ambanivohitra any mantsy ireny olona ireny no tonga eto an-drenivohitra hitady fivelomana. Ka lasa enta-mavesatra ho an'ny kaominina ny fikarakarana azy », hoy izy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Afon-dabozia nandoro trano 8 tao Betroka. Fantatra izao, araka ny fanazavanan'ny tompon' andraikitra voalohany eo anivon'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Raharijaona Lucien, ny naha-tonga ny loza nandoro ireo fonenan'ny zandary tao Betroka. Dia ny tsy fahamalinana nataon'ny vadina zandary iray tao an-tranony. Trano miisa valo no indray kila forehitra tamin'izany.
Loza tsy nahy nahafaty zandary. Basy nipoaka tsy nahy no voalaza fa nahavoa an'ilay kaomandan'ny kaompanian'i Vangaindrano tany Soakibany-Midongy, ny 4 oktobra teo. Nanatanteraka iraka izy tamin'io ka efa nofahanana dieny mialoha ny basy teny an-tratrany, hisorohana ny tampoka. Kanjo voadonany tsy nahy ka nipoaka ka namono azy.
Fitsarana ny raharahan'Imerintsiatosika. Fokonolona 21 eo no indray hiatrika fitsarana ao Arivonimamo anio. Ilay raharaha niseho tao Imerintsiatosika izay nilazana fa misy hala-jaza ka nitarika fanapotehana fananan'olona no hitsarana azy ireo amin'izany. Ny 10 amin'ireo no efa voatazona vonjimaika any am-ponja.
Nangonin'i




Andravoahangy
Tsy mandoa hetra ny mpivarotra
Mpivarotra any amin'ny 96 % any no tsy mbola nahaloa ny hetrany ho an'ny taona 2008. Fantatra izany nandritra ny fidinana tampoka teny amin'ny tsenan' Andravoahangy nataon'ny tompon'andraikitry ny hetra sy ny tsena monisipaly omaly. Omena fe-potoana 15 andro manomboka izao izy ireo hanefany izany hetra izany. Raha dila izay dia tsy hahazo toerana sy karatra vaovao natokana ho an'ireo mpivarotra intsony.




Ambatolampy
Ankizilahikely roa voaosin'ny kamiao
Ankizilahikely roa niara-nitaingina bisikileta, omaly maraina tokony ho tamin'ny 7 ora teo, no indray nodonin'ny kamiao, tao Andriambilany ao anatin'ny distrikan'Ambatolampy. Voadona ary tafiditra tao ambany kodiaran'ny fiara ny iray ka maty tsy tra-drano teo no ho eo. Ilay faharoa kosa nipitika ka naratra mafy ary tsaboina any amin'ny hopitaly ao Ambatolampy. Handeha hianatra izy ireo, raha ny fanazavan'ireo nanatri-maso.




Toetr'andro
Mandeha ny varotra zava-pisotro
Mafana dia mafana ny andro amin'izao fotoana izao, hany ka tsara dia tsara ny tsenan'ny zava-pisotro.
Mandeha dia mandeha amin'izao fotoana izao ny fivarotana zava-pisotro manala hetaheta, indrindra fa ireo izay voa- tahiry anatin'ny vata fampangatsiahana. Mafana dia mafana mantsy ny andro ka betsaka ny olona no mividy izany, miala amin'ny fivimbinana tavoahangy kely misy rano.Ankoatra ireo zava-pisotro amidy amin'ny siny na zavatra plasitika samihafa dia miavaka amin'ireny ny zava-pisotro amidy anaty tavoahangy izay vokarin'ny orinasa lehibe iray.
60 tavoahangy
« Mahalany hatrany amin'ny 60 tavoahangy any aho isan'andro amin'izao fotoana izao. Izany hoe roa " cageots " amin'ilay lehibe mahazaka tavoahangy 30 isa. Tamin'ny fotoanan'ny ririnina anefa zara raha mahalany " cageot " iray misy tavoahangy kely 24 ireny », hoy Faly, tovolahy kely iray mpivarotra mandehandeha.
Ireny zava-pisotro vitan'ny orinasa vaventy ireny mantsy ny azy no amidiny. Atosika amin'ny kalesy kely ary entina mandeha mitety izay toerana be olona.
« Tian'ny olona kokoa ny zava-pisotro toy itony noho izy ara-pahasalamana. Satria azo antoka tsara ny fahadiovany noho ireo ranom-boankazo hafa amidy mihahaka eny an-kalaman-jana », hoy izy. Diman-jato ariary no nambarany fa vidin'ny zava-pisotro iray sotroina eo no ho eo.
Efa nanao raharaham-barotra madinika ihany i Faly teo aloha, raha ny fanazavany. Saingy nosoritany fa ahazoany vola kokoa ny famarotana zava-pisotron'ny orinasa mandehandeha toy izao.Mahay mitety tsena sy mahafantatra tsara izay toerana vory olona izy ka vetivety dia lany ny entana.
Araka ny filazany dia amin'ny 9 ora sy sasany eo izy no manomboka midina eny an-tsena ary eo amin'ny 3 ora antoandro eo ihany dia efa mahalany entana.
« Raha andro tsena aza dia mody alohan'izany aho », hoy ihany izy nanampy.
Mivarotra ny entana fotsiny moa no asan'ireo mpivarotra amin'izany ka arakaraka ny entana lafo ny vola raisina.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Nofotorana i Bosco, voatifitra teny Ankasina. Vita afak'omaly ny famotorana an'i Bosco, ilay raim-pianakaviana notifirin'ny polisy fa nolazainy hoe jiolahy. Tonga nanatona azy teny amin'ny hopitaly ny polisy nanadihady azy. Mbola marefo anefa ny toe-pahasalamany noho ny bala efatra indray niantefa teny aminy.Tsy misy polisy miambina toy ireny jiolahy ireny izy ao amin'ny hopitaly.
Anio ny famindram-pahefan'ny lehiben'ny tafika. Lanonana ara-miaramila lehibe no ho tontosaina eny Ivato, anio maraina. Hotanterahina eny ny fifamindram-pahefana eo amin'ny lehiben'ny etamazaoro jeneralin'ny tafika, ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, mpifehy vaovao, sy ny jeneraly Razafindralambo Rivo Hanitra.
Fahatapahan-dalana eo Analakely. Tapaka, manomboka izao maraina izao, amin'ny 6 ora sy sasany, ny ampahan-dalana eo amin'ny araben' Andrianampoinimerina manoloana ny Institut d'hygiène sociale (IHS), miainga eo amin'ny fihaonan'ny lalana Radama I sy ny lalana Rasoamanana. Noho ny varavarana misokatry ny IHS izany.
Nofotorana ilay polisy nitifitra olona. Afak'omaly no nampanantsoin'ny polisy avy ao amin'ny heloka bevava mba hofotorana ilay polisin'ny GIR nitifitra olona teny Ankasina. Noho ny tsy fahampian'ny vaovao momba iny raharaha iny no voalaza fa anton'izany.
Nangonin'i




Anosizato
Sazy 8 taona an-terivozona
Sazy valo taona an-terivozona no nampiharin'ny fitsarana an'ity tovolahy iray izay voampanga ho nanao fihetsika mamoafady tamina zazakely telo taona. Tsy nanolana an'ilay zaza no nataony tamin'izany fa fikitiki-tihana ny mahavehivavy azy.
Ankizy notezaina tao an-trano ity nahavanon-doza ity. Zatra azy ilay zaza dia izay no nararaotiny « nilalaovany » azy. Tsy nampoiziny anefa fa voatantaran'ilay zaza tamin'ny antsipirihany tamin-dreniny ny fihetsika nataony taminy.




Andraisoro
Zaza rano norotehin'ny alika
Hatairana ny an'ireo tompon-trano tao amin'ity tanàna iray teny Andraisoro omaly maraina, raha nahita zava-nifono lamba nihoson-drà nosavoritahan'ny alika teo an-tokontany. Nozahana ka hay zazarano narian' olona izy ity.
Kely dia kely ilay zaza. Na izany aza, efa ary avokoa ny vatany rehetra. Tamin'izany no nahalalana fa vavy kely tany amin'ny enim-bolana an-kibo tany ilay izy. Noesorina ary dia nariana teny an-tanànan'olona. Tamin'ny maraina vao mangiran-dratsy no nanarian'ireo olona azy ity teo an-tokontany. Tsy fantatra, araka izany, izay nahavanon-doza tamin'izao raharaha izao.
Efa tonga teny an-toerana nanao fitsirihana ny zava-nisy moa ny polisy.




Ambatondrazaka
Misy misitery ny ambalavelona
Samy manana ny fijeriny momba ny ambalavelona na ny mpimasy sy ny mpitsabo. Samy mahasitrana an'ity aretina ity avokoa izy ireo.
Raha vao miresaka an'Ambatondrazaka dia ny fisian'ny ambalavelona mazàna mby ao an-tsaina avy hatrany, ankoatra ny vary sy ny trondro besisika malaza ao aminy. Karazan'aretina mahazo ny olona izy ity. « Lasa matanjaka be izay olona tratrany, mitrifana ary mila ho tsy voatanan-dehilahy matanjaka mihitsy. Toy ny lasa adala e ! », hoy ity renim-pianakaviana iray, R Eliane, nitantara ny fomba fisehony.
Ara-tantara, ary izay no zava-misy, araka ny mponina any an-toerana, dia karazana fametrahana fanafody gasy ho fiarovana ny omby izy io. « Vala velona » no anarany. Izany hoe nofaritana tao anaty vala ny omby mba tsy hihetsika. Ka raha misy tafavoaka an'io dia lasa mitroatra tsy azo sakanana. Ka raha tsy ny tompony tsy mahazo azy.
Tsy mampino
Tany amin'iny faritr'i Mahajanga iny no voalaza fa nisehoan'izany. Saingy rehefa nifanerasera nividy omby tany ireo mponina avy ao Ambato dia nandray izany. Saingy tsy tany amin'ny biby ny azy no natefany fa nataony tamin'olona. Nanaovana hasomparana ary teo no niovan'ilay anarana ho « ambalavelona ». Tamin'ny taona 1970 ka hatramin'ny taona 1980 tany no nosoritan' ireo ray aman-dreny nanao-vana fanadihadiana fa tena nampafana vay an'ity aretina hafahafa ity tao Ambaton-drazaka. Ny dadarabe sy ny mpimasy no manala izany vao sitrana ilay olona.
« Ny zavatra misy, ny mpilaza koa anefa mahay », hoy ny fitenenana satria hafa mifanohitra amin'izay ny fanazavan'ireo mpitsabo, ny mpitsabo ankapobeny sy ny psychiatre. Amin'izy ireo dia ny tsy fahampian'ny kalsiôma sy ny aretin-tsaina no mahatonga ny olona ho toy ireny lasa adala ireny. « Mihe-tsika krizy mafy mihitsy mantsy ny olona tratran'ireo tsy fahasalamana ireo ka heverin'ny olona fa voan'ny ambalavelona. Rehefa omena fanafody sy manaraka fitsaboana tsara anefa ilay olona dia sitrana », hoy Dr Roger Randrianarison, mpitsabo malaza ao Tanambe.
Ho an'ny mpivavaka indray dia tsorin'izy ireo fa asan-devoly ny ambalavelona. « Fanahy ratsy mipetraka amin'olona iray velona izy io, ka mahatonga azy ho verivery saina, tsy mahalala izay tokony hataony. Ivava-hana ny olona voan'ireny, ametrahan-tanana », hoy Rakotonarivo, mpiandry ao amin'ny fiangonana iray amin'iny faritr'Alaotra iny. Ary dia misy dia misy tokoa, raha ny nanipihany azy, no sitrana tanteraka satria niasan'ny Fanahy Masina.
Na ny mpitsabo na ny mpiandry, raha izay asany izay, dia tsy mino loatra ny fisian'ny ambalavelona. Samy nanipika anefa izy ireo fa misy dia misy ihany koa ny mpimasy mahasitrana ity aretina ity. Misy ihany koa ny marary tsy sitrana ao amin'izy ireo. Ary ilazany fa misitery ihany ny fisian'ity ambalavelona ity.
Efa mba lefilefy moa ity aretina hafahafa ity amin'izao fotoana izao any an-toerana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Polisy nangalatra bisikileta. Nindramin'ity polisy hoe hakany zavatra vetivety, afak'omaly atoandro tao Toamasina, ilay bisikiletan'olona. Nefa dia iny izy no tsy niverina intsony. Nandritra ny fizarana fanampiana ho an'ireo fianakaviana may trano tao Ankirihiry izany. Mbola tra-boina ihany koa anefa ity olona nangalarany ity ary izay bisikileta izay no mba hany fanana kely niangana teo aminy.
Miaramila an-jatony vita fitiliana. Nandritra ny telo andro, ny herinandro teo teny amin'ny toby Cemes Soanierana, no nanatan-terahan'ny miaramila ny hetsika faobe hiadiana amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. Nahatratra hatrany amin'ny 300 ireo tonga nanatanteraka izany, niampy an'ireo mpiasa sivily ao aminy izay nisy tany amin'ny 80.
Kaontenera nipoaka. Kaontenera fito no indray kila forehitra tao amin'ny Scama Antsiranana I, ny 5 oktobra teo. Afo vokatry ny fandoroana fako no nahatonga ny loza. Kaontenera iray no nipoaka tamin'izany, nahazo trano falafa teo akaikiny ary nihitatra tamin'ireo kaontenera enina hafa.
Nangonin'i




Ivandry
Mpivady 13 nosoratam-panambadiana faobe
Tontosa ny zoma 10 oktobra tao amin'ny biraon'ny boriboritany faha-5 etsy Ambatomainty ny fisoratam-panambadiana faobe ho an'ireo mpivady 13, nanaiky hanorina ara-panjakana ny tokantranon'izy ireo.
« Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa teo amin'ny Fiangonana FJKM sy ny Fokontany ho amin'ny tombotsoan'ny vahoaka, indrindra ny taranaka any aoriana », hoy ny Andrianiana Liva, sefo-pokontany.
Isan'ny fototry ny olam-piarahamonina manahirana ny mpitondra tokoa, hoy izy, ny amin'ireo mpivady tsy ara-dalàna, indrindra eo amin'ny lafiny fiahiana ny ankizy.
« Faly tokoa izahay mivady raha nandray ny bokim-panambadianay », hoy Ramatoa Razafindranoro Perline sy Rakonondramanga Léon, anisan'ireo mpivady nandray fahasoavana tamin'ity andro ity.
« Nanapa-kevitra ny hiroso amin'ny fanambadiana ara-dalàna izahay rehefa nahatsapa fa ilaina izany ho amin'ny hoavin'ireo zanakay dimy », hoy Razafindranoro Perline, nanamafy.




Zava-kanto
Niova i Gégé Rasamoely
Nanjary sariaka amin'ny olona tsy fantany i Gégé Rasamoely. Ny sarimihetsika nolalaoviny no nahatonga izany.
Raha lehilahy niavonavona, tsy dia niraika firy taman'olona, nifidifidy namana i Gégé Rasamoely, dia tsy izany intsony izy amin'izao fotoana izao. Lehilahy tsotra, mpikanikany lava, ary misariaka aman'olona na dia tsy olom-pantany aza.
« Tena nanova ny fiainako tanteraka ny fanaovana sarimihetsika », hoy izy. Nosoritany mantsy fa hatramin'izay nilalaovany sarimihetsika malagasy izay dia lasa be mpahafantatra izy.
Radofa
« Toa mahafantatra ahy daholo ny olona, misy ny tonga dia miarahaba fotsiny nefa tsy fantatro, ny miantso, ny mpananihany moa tsy resahina. Tsy afaka ny hanome lamosina azy ireny aho, fa tsy maintsy mamaly azy, miarahaba, mitsikitsiky... Ary dia tsapako ho niova tanteraka aho », hoy ihany izy.
Marina fa nilalao tantara tao amin'ny radio Madagasikara, efa an-taonany maro izy (nisy 23 taona tany), niseho sehatra mihitsy aza. Fa tsy nanova azy ireny. Asa noho izy ireny nolalaovina tsy nivoaka ny efitrano, na voafetra ihany ny olona mahita azy no anton'izany.
Fa amin'ny sarimihetsika mantsy, noho izy voarakitra amin'ny kapila ary amidy ho an'ny olon-drehetra, dia saika mahita azy daholo ny olon-drehetra. « Ny ankamaroan'ny sarimihetsika nolalaoviko rahateo nandeha tamin'ny fahitalavitra daholo », hoy i Gégé Rasamoely.
Gégé no nahafantaran'ny maro azy. Nefa nony injay nivoaka ireny sarimihetsika ireny, ny « Vatomandoro », ny « Sangodim-panina »... dia lasa very anarana izy. «Radofa » indray ! « Dia na boto na adala, na kely na lehibe dia tsy mahalala afa-tsy ny hoe Radofa », hoy izy sady nikanikany.
Ny toeran'ny olona mpanankarena, tia vehivavy, mivatravatra fiteny, tsy mivaky loha, ireo mazàna no anjara toerana lalaoviny isaky ny milalao sarimihetsika izy. Jiolahim-boto kosa raha amin'ny tantara amin'ny radio. Nanantitra anefa i Gégé fa tsy toetrany velively ireo.
« Ny zavatra rehefa ampandraiketina anao dia tsy maintsy iainanao, fa tsy voatery hitafy an'ilay toetra vao hahavita azy », hoy izy. Nosoritany fa tombony ho azy, raha miohatra amin'ireo tanora sy olona milalao sarimihetsika malagasy amin'izao fotoana izao, ny nilalaovany tantara tao amin'ny radiom-pirenena.
Tsy mpilalao sarimihetsika fotsiny moa i Gégé Rasamoely fa sady mpamokatra ihany koa. « Iriela » no anaran'ny trano famokarana tantanany ary efa namoaka sarimihetsika maro.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Roalahy namaky trano. Andro antoandro benanahary mihitsy, ny alakamisy teo, no namakian'ireto roalahy ny trano fitoeran'entan'ny sinoa iray eny Ankadivato. Navoakany tao ny pataloha jeans maro sy solosaina ary finday. Nisy ny manodidina no nahita ka niantso avy hatrany ny polisy. Mbola tratra teny amin'izy roalahy ireto moa ny fitaovana namakiany trano.
Mpitsara matin'ny lozam-pifamoivoizana. Mpanolo-tsaina ao amin'ny Fitsarana misahana ny raharaham-bola ilay mpitsara namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Antsiranana, ny 5 okotobra teo. Olona telo izy no niaraka tamin'io fotoana io ka ny roa namoy ny ainy fa ilay fanintelony naratra ka naiditra hopitaly tao Antsiranana amin'izao fotoana izao.
Lehilahy nahatrarana vola sandoka. Vola sandoka 10 000 ariary no sarona teny amin'ity lehilahy iray tany Manakara, ny 8 oktobra teo. Mpivarotra saika hividianany entana no nahatsikaritra izany ka niantso avy hatrany ny polisy. Efa natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana moa ny lehilahy ary notanana am-ponja vonjimaika.
Nangonin'i




Asan-jiolahy
Iray fiara sempotry ny Big Boss
Kofonkofona sy latsa-dranomaso daholo, ny herinandro teo, ireo mpandeha iray fiara fitaterana, raha nandalo tamin'iny Ankorondrano iny. Nentin'ny hasosorany tamin'ilay resevera mantsy ity tovolahy iray ka rehefa hiala ny fiara iny izy, teo Ankorondrano, dia nofafazany entona « Big Boss » ity anankiray. Tsy mbola tafavoaka ny fiara akory izy fa teo am-baravarana dia efa namafy izany. Ilay resevera tena namafazany azy moa tena ankona. Ny iray fiara kosa, kofonkofona daholo satria nihanaka tao anatiny ilay enton-dratsy.
Raha ny fanazavan'i Dadah, isan'ny mpande-han'ilay fiara, dia resaka saran-dalana no nifamalian'ilay tovolahy nitifitra Big Boss tamin'ilay resevera. Tsy nety nandoa saran-dalana izy raha notakiana taminy izany. « Efa nandoa aho leitia ary any amin'ialahy aza mbola misy famerim-bolako 5 000 ariary », hoy izy tamin'ny feo henjana.
Nanda izany ilay resevera ka niteny taminy fa tadidiny daholo ny olona nakany saran-dalana. Dia nifanjinja tamin'ny fifamaliana teo izy roa tonta. Ary io nanaovany ankasomparana io ilay resevera.
Nijanona moa ilay fiara teo. Ary nivoaka nanenjika azy ny olona no sady niantso vonjy tamin'ny manodidina. saingy poa toy izay no nidiran'ilay tovolahy ny elakelan-trano ka tsy tratra izy.




Ankorondrano Andrefana
Mijaly fanasan-damba ny mponina
Lasa fanasan-damba ny tetezana eny Ankorondrano andrefana. Tsy manana toerana voatokana amin'izany mantsy ny mponina eny.
«Efa an-taonany maro izahay no nanasa lamba teto ambony tetezana teto. Tsy mba misy toerana fanasan-damba mantsy izahay aty amin'ny faritra andrefan'Ankorondrano aty fa ny any atsinanana sy atsimo ihany no manana...»
Tsy hay nofefena ny fitarainan'ireo mponina eny Ankorondrano andrefana nitanisa ny fahoriany amin'ny tsy fisian'ny toerana fanasan-damba. Eo ambony tetezana mantsy izy ireo no mitalapetraka sy mandohalika manasa ny lambany.
Manangom-bola
Takon'ireo tranohazo mpivarotra enta-madinika sy hanimasaka izy ireo dia tsy tazana avy ety ivelany. Fa na ny arofanin'ny tetezana aza efa lasa fanahazan-damba.
« Akaiky paompy fantsakana eto no sady malalaka ka izany no handeha-nanay eto », hoy Suzanne, renim-pianakaviana iray efa zokinjokiny, mikarama manasa lamba. Efa an-taonany maro no nanaovana an'io asa io sy teo amin'io toerana io.
« Fahoriana ny anay eto satria mifanosona amin'ny mpantsaka rano. Mahatratra any amin'ny 50 metatra ny filaharan'ny siny. Raha lamba tokony ho vita ao anatin'ny adiny iray dia adiny roa vao afaka aminy », hoy ihany i Suzanne.
« Marobe izahay no manasa lamba eto. Tsy mitsaha-mitombo anefa izany ary tsy tapaka mpanasa lamba eto na maraina na antoandro na hariva. Samy mitily izay toera- malalaka ny olona ka raha vao misy banga dia tonga », hoy indray i Brigitte.
Nambaran'ireo mpanasa lamba fa efa misy ny fanangonam-bola ataon'izy ireo, ankoatra ny fandraisana anjara amin'ny fandoavana isam-bolana vidin-drano, amin'ny hananganana toerana fanasan-damba. Mangataka amin'ireo mpitondra fanjakana izy ireo mba hanampy azy amin'izany.
« Vola 200 ariary isaky ny mpikarama manasa
lamba sy ariary zato isaky ny olona manasa lamba (ho an'ny tsy mpikarama io) isan'andro no angoninay eto. Efa ho herintaona izao », hoy Nambinina, renim-pianakaviana tompon' andraikitra amin'ny fitakiana sy ny fanangonana izany.
« Kely dia kely anefa ny voaangona amin'izany. Indraindray 4 500 ariary no azo, indraindray 2 500 ariary na 3 000 ariary », hoy izy.
Efa misy moa tompon' andraikitra mitahiry izany vola voaangona isan'andro izany.





Ambohidratrimo
Vazaha nanapoaka basy
Poa-basy indray mandeha no narefotr'ilay vazaha tompon-trano tao Ambodisaha Ambohidratrimo, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany, dia niparitaka tsy hita izay làlana nalehan'ireo andian-dehilahy nihaodihaody teo amin'ny tranony. Mailo avy hatrany izy raha vao naha-tazana azy ireo ka ny fiarovany no nataony tonga aloha.




Nosy Be
Tantsambo vahiny nisy namono
Tao amin'ny fari-dranomasin'i Nosy Be, ny 7 okotobra teo, no natsikafon'ny ranomasina ny nofo mangatsiakan'ilay teratany vahiny, mpiasan'ny sambo « Jean Pierre Colloch » izay tsy hita popoka ny fiandohan'ny volana okotobra teo.
Tonga tany an-toerana nizaha ifotony ny razana ny Fampanoavana tao Nosy Be niaraka tamin'ny zandary ary ny mpitsabo.
Tsikaritra ny fisian'ny tasin-drà teo amin'ny miliny ary tamin'izany no nanamarihan'ny mpitsabo fa tsy mba fahafatesana vokatry ny loza tsy nahy no nahavoa an'ity tantsambo ity fa maty noho ny vono natao azy. Novonoina tao an-tsambo ary natsipy tany an-dranomasina nony avy eo.




Mananjary
Taolam-balo 9 kilao tratra
Taolam-balo milanja sivy kilao no indray tratran'ny fokonolona teny amin'ity lehilahy iray, tao Manakana-I, kaominin' i Manakana, distrikan'i Manjary, ny 6 oktobra teo. Taolan-dava avokoa izy ireo, izay miisa 48 araka ny fanisan'ny zandary azy.
Teny amin'ny kianja fanaovam-baolina tao an-toerana ity lehilahy no nifanehatra tamin'ny fokonolona. Raikitra ny fisavana ka teo no naha-trarana an'ireo taolam-balon-drazana ireo. Nivimbina antsy lava izy, ka ny fampidera-derany an'io antsy lava io no nampamahina ny fokonolona sy nahatonga azy ireo hanakana sy hisava azy ary teo no nahafantarana fa taolana avokoa ireto hoentiny.
Tsy fantatra mihitsy hatramin'izao izay toerana nakan'ity lehilahy ity an'ireo taolam-balo ireo. Tsy mety miteny na manambara izay fasana novakiany tamin'izany mantsy izy.Tsy fantatra ihany koa izay mety ho namany tamin'izao vaky fasana izao.
Efa natolotra ny zandary izy ary misokatra ny fanadihadiana. Ireo taolam-balo kosa efa nalevin'ny fokonolona any amin'ny fasam-bahiny any an-toerana.




Sabotsy Namehana
Niova endrika ny tanàna
Mipetrapetraka ny fotodrafitrasa ao anatin'ny kaominin'i Sabotsy Namehana. Asa goavana enina sosona indray no notokanana.
Biraon'ny kaominina, paompy fantsakana miisa dimy, toerana fanasan-damba iray, toeram-piantsonan'ny fiarakodia izay mahalany eo amin'ny fiarakodia 100 eo, trano hevan'ny mpivarotra ary trano sekoly sy kianja fanaovam-baolina, ireo no zava-bita indray notokanana tao anatin'ny kaominin'i Sabotsy Namehana, ny asabotsy teo. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Ranjeva Marcel, niaraka tamin'ny lehiben'ny faritra, Ratsimbazafy Fidy sy ny ben'ny tanàna ao an-toerana, Andriamosa Avotraina, no nitokana izany tany an-toerana.
Atrehina ny fifaninanana
« Mihatra tanteraka aminay eto Sabotsy Namehana ny Madagasikara am-perinasa na ny Map », hoy ny ben'ny tanàna Avotraina Andriamosa. Nosoritany fa ao anatin'ny fiovam-pijery tanteraka tokoa ny kaominin'i Sabotsy Namehana sy ny vahoakany amin'izao fotoana izao.
« Tsy misy afa-tsy ny fampan-drosoana ny tanàna mantsy no tanjona. Matotra araka izany ny fiaraha-miasan'ny kaominina sy ny fanjakana, ampian'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana na ilay 3P izay politikan'ny Fitondrana amin' izao fotoana izao », hoy izy.
Raha ny nanipihany azy mantsy dia izay fiaraha-miasa avy amin'ny 3 P izay no nahitana izao voka-dehibe izao, ny biraon'ny kaominina fanomezana avy amin'ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, ny rano fisotro madio fanampiana avy amin'ny Care, ny trano hevan'ny mpivarotra niaraha-niasa tamin'ny olona tsara sitra-po, ny toeram-piantsonan' ny fiara niarahana tamin'ny minisiteran'ny Asa vaventy, ary ny sekoly sy ny kianja fanaovam-baolina niarahana tamin'ny mpiahy ny kaominina, ny vadin'ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr Ranjeva Bodo.
« Asa goavana maro no vita tao anatin'ny dimy volana monja. Koa manainga ny tsirairay amin'ny fanajana ny zava-bita », hoy ny minisitra Ranjeva Marcel.





Taratasin&#039;ny mpamaky
Fanaovam-beloma ny Pr Rakotoarimanana
Indro alefa aminareo ny tononkalo iray maneho endrika tsy fantatry ny mpiara-monina ny amin'ny naha izy azy koa ny Pr Rakotoarimanana Denis Roland, izay nodimandry tamin'ny 24 septambra lasa teo.
Tena ray sy reny
Rakotoarimanana Denis Roland
Noho ny fitsingerenan'ny tononandro nahaterahanao
Amiko ianao tsy zoky fotsiny ihany
fa tena ray sy reny hatramin'ny fahakely :
nibedy raha naditra, nampionona tomany,
nitaiza sy nampianatra, nataoko ho modely.
Fifalian'ny foko sy tena reharehako
ny mahazandrinao faravavy ahy !
Ny zavatra tsaroako, na taiza no nalehako,
dia ny hoe tao aminao ny hatsaram-panahy.
Mamitaka eny angamba ny fitadidiako,
ny saina manko mety mamboatra ny tantara !
Na nofiko aza izany, izao no fiangaviako :
avela ho ahy ny tsiahiko, ny marina aza ambara.
Mandraka androany dia mbola ray sy reny
no itiavako anao, tsy zandry aho fa zanaka.
Koa lavà andro ianao, hanoro sy hiteny,
ho andry ianteheranay dimby sy taranaka.
Mayotte 22 febroary 2003
Kinanjo nodimandry ianao ankehitriny,
folaka ny andry niankinanay rehetra !
Ny lahatra sy tendry tsy azo omena tsiny,
fa miondrika izahay, tomany sy mitsetra.
Kamboty ankehitriny izato zandrinao,
kanefa tsy hanadino ny fiainanao tety,
ny fahatsoram-po sy ny fitiavanao...
Mandria am-piadanana ry Zoky be fitia !
Mayotte, 24 septambra 2008
Fara Mananjandry




Nodimandry i RADO fa ny asany mitoetra
«Omeo anay anio!»
Mba «Omeo anay anio
ny hanina sahaza anay»!
hoy ny vavaka fanao nolazainao fahizay
Anefa,Tompo ô! jereo!
Ny omaly aza moa
mbola tsy azo hatramin'izao,na dia tsy niroa fo
niasa mafy nikarama
tsy nahalala andro hariva...
Koa raha azonao atao,hoy 'ty feoko efa iva :
«Mba omeo anay anio
izay sahaza anay ampitso
hameno izay tsy azo omaly, raha toa tsy hahadiso
Tsy fandidiana, sanatria,
na saina fatra-piady varotra
fa fiangaviana ihany noho ny fiainana efa sarotra» !
Rado ( jona 1988 )




Fiaraha-miory amin&#039;ny fahalasanan&#039;i GRG na i Georgette Ranivoarivelo Gabrielle
Maty Miadana
Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin'ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra
Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin'ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo
Ny mamela mamy, maty miadana
E ! Ny andro rehetra dia fandalovana
Fa tsy ho lefy hanitra ilay fisiana
Ho velona an-koatra sy ho tsara levenana.
Ny Kanto.
Mbola tsy mitraka akory ny fianakaviam-ben'ny haisoratra malagasy dia indro fa niraraka ihany koa ny Kintana nitondra ny famirapiratany niavaka teo amin'ny literatiora malagasy. Lasa i GRG, fa ny soratra navelany dia hanentohento sy tsy ho lefy hanitra !!!!
Mirary sy mampitondra teny fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny sakaizany rehetra.
Fabien Gaston RAZAKANDRAINIBE, PhD




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Afaka ilay vazaha mpiasan'ny Colas. Nohafahan'ny fitsarana tao Toamasina noho ny fisalasalana, omaly, i Roger Bernard Léon Alexis, mpiasan'ny orinasa Colas. Fiampangana efatra sosona no nitsarana azy tamin'izany : fanevatevana olona, faniratsirana filoham-pirenena, fanendrikendrehana olona ary fanaovana herisetra ny mpiasany. Mpiasa malagasy 18 no indray nitory azy tamin'izany.
Tsy laitra ny mpangarom-paosy. Tsy tratra fa notriarin'ny mpangarom- paosy ny poketran'ilay vehivavy iray teny Ambodin'Isotry, omaly antoandro. Nitankosenany izay ilay renim-pianakaviana nanaovany azy. Soa fa mbola nisy an'ilay lamba avy tao anatiny, tsy tratry ny hareza, niaro ny entana tao anatiny, fa raha tsy izany dia tapitra niparitaka teo amin'ny arabe ny entana tao anatiny.
Nangonin'i




Bazary Ankirihiry
Fanampiana ho an'ireo traboina
Vary 100 gony milanja dimy taonina, lamba enina «balles», kiraron-jaza sy olon-dehibe miisa 106 avy, ary savony 3 600 isa, izay mitentina 7 000 000 ariary, no natolotra an'ireo traboina noho ny haintrano tao amin'ny bazary Ankirihiry, ny zoma 10 oktobra lasa teo.
Ny orinasa MAERSK S.A no nanolotra ireo fanomezana ireo mba ho fandraisana anjara amin'ilay voinkava-mahatratra izay mbola mitohy mandrak' ankehitriny. Teto Toamasina ihany no nividianana ireto fanampiana ireto araka ny fanambaran'i Giannito Harlann, tompon' andraikitra iray ao amin'ny orinasa.
Tany amin'ny kaominina no nanaterana ny fanomezana satria izy no manangona sy mandrindra ny fizarana azy avy eo.
Araka ny nambaran'ny filohan'ny bazary Nordin dia mbola mahatratra arivo mahery amin'izao fotoana izao ireo olona sahirana mafy vokatra iny loza iny. Ary mahatratra 819 kosa ireo zaza mpianatra. «Mbola maro ihany koa ireo izay mipetraka any amin'ny havany na olona afaka mampiantrano azy».
Tsy azo ivarotana mihitsy koa amin'izao fotoana izao ilay toerana ao amin'ny Stadium Barikadimy izay nasiana ireto olona ireto. «Mbola miandry fampidirana rano sy fanamboarana trano fivarotana vonjimaika izay nampanantenain'ny tanànan'i Toamasina fa ho ataony tsy ho ela», hoy ihany ny filohan'ny bazary Nordin.




Famatsian-drano fisotro
Lavadrano 350 hatao any avaratra andrefan'ny Nosy
Roso amin'ny famatsian-drano fisotro ny mponina, amin'ny alalan'ny fandaharan' asa famatsian-drano sy fanajariana ny tontolo ambanivohitra na ny PAEAR ny fanjakana. Ny PAEAR moa dia mijoro eo anivon'ny minisiteran'ny Rano ary vatsian'ny Banky afrikana momba ny fampandrosoana.
Ankoatra ireo faritra hafa izay efa nahazo izany dia ny mponina any amin'ny faritra Sofia, Betsiboka ary Melaky no hovatsiana izany. Famatsian-dreno fisotro mahatratra 350 no ezahina atsangana, izay hotanterahin' ny orinasa Reca Forage, manampahaizana manokana amin'izany.
Ny 26 septambra teo no nanomboka ny asa, tao amin' ny fokontanin'i Mahialabo. Ary efa lava-drano fito no voalavaka nahazoana rano fisotro madio amin'izao fotoana izao. «Amin'ny alalan'ny lava-drano no hanatanterahana ny fanomezana rano fisotro madio ho an'ny mponina. Ny 250 amin'io dia amin'ny alalan'ny paompy mandeha amin'ny herin'ny masoandro no hampiakarana ny rano. Ny ambiny kosa dia ny paompy atosika amin'ny herin-tsandry na ny tongotra no hampandehanana azy», hoy ny tale jeneralin'ny orinasa Reva Forage, Betsiaroana Jean Didier.
Vola mitentina hatrany amin'ny 18 miliara ariary any no nomen'ny PAEAR ny orinasa hanatontosana izany tetik'asa goavana izany.
Efa hatrany amin'ny taona 2006 izy ity no niasa tamin'ny famatsiana rano fisotro ny mponina ambanivohitra ary nahavita lava-drano 350 tany amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Haharitra 18 volana eo ny fanatanterahany ny asa any amin'ireo faritra telo voatanisa ery aloha ireo.
Marihina fa ny rano azo dia tsy maintsy ampandalovina any amin'ny laboratoara anaovana fitiliana hijerena raha tena azo sotroina.




Alan'i Manjakatompo
Olona enina notanana am-ponja
Ripadripaka ny hazo ao anatin'ny alan'i Manjakatompo. Ireny kesika lava mahitsy be ireny, mahatratra hatrany amin'ny folo metatra miakatra, midaraboka kapain'ny olona. Tsy raharahan'ny olona any an-toerana tokoa ny fandraràna azy tsy hikitika ny ala, fa dia lasa ihany izy mikapa hazo.
Ao ny mikiky ny vodihazo hatao kitay menaka, ao ny maka bolongan-kazo fotsiny izao.
«Efa ho roa taona eo izao ity ala ity no voarara tsy azo trandrahina», hoy Razanadrakoto Marcel, mpiasan'ny minisiteran'ny Rano sy ny ala misahana ny fiambenana ny alan'i Manjakatompo. Efa mahafantatra tsara izany ny fokonolona. Nefa dia mbola minia mangalatra, mikapa an-tsokosoko ny ala ihany.
Manara-maso ihany koa ny eo anivon'ny kaominina, araka ny fanazavana nataon'ny ben'ny tanànan'i Tsiafajavona Ramilison Pierre Martial. «Nahita izany fandripahana ala tsy ara-dalàna izany izahay ka lasa nandefa tatitra taty amin'ny manam-pahefana. Dia tonga nidina teny an-toerana ny polisy avy ao Ambatolampy nijery ifotony izany. Natao ny hetsika ka nisy dia nisy tokoa ny tratra ambodiomby teo amin'izany fandripahana ala izany», hoy izy.
Olona enina, raha ny fanazavana nomen'ny kaomisera Rabarijaona Eric, no indray tratra tamin'izany. Nentina niakatra tao Ambatolampy izy ireo nanaovana famotorana ary avy hatrany dia notanan'ny tao amin'ny Fampanoavana tao an-toerana am-ponja vonjimaika rehefa natolotra azy.
Nanamarika ny ben'ny tanàna fa tsy anisan'ny mponina ao aminy ireo tra-tehaka ireo. «Saika avy any amin'ny kaominina manodidina avokoa izy ireo, dia Manjakatompo sy Sabotsy-Namatoana».





Fifamoivoizana
Ratsy dia ratsy ny lalana any Ankaratra
Lavadavaka, lalan-driaka, izany no hita amin'ny lalana misy an'Ambodin'Ankaratra amin'izao fotoana izao. Tsy nisy fikarakarana an-taonany maro.
Tsy an-jaza raha ny lalana any amin'iny faritr'Ambodin' Ankaratra iny. Eo ho eo ihany ny lalana miainga eo Ambodiriana-Ambatolampy, manomboka eo dia efa lalan-tany no andehanana, ka mandrapahatonga ao Manjakatompo, eo amin'ny sakana ataon'ny mpiasan'ny Rano sy ala. Vao miainga eo kosa dia lalan-dratsy feno lavadavaka no aleha. Manomboka eo mantsy ny lalana mamakivaky an'Ambodin'Ankaratra.
Nanampy trotraka ny fahavaratra. Saika rakotry ny fotaka ny lalan-driaka amin'ny sisin-dalana ary dia lasa eny am-povoan'arabe ny rano no nandavaka.
Tsy nisy mpikarakara
Izany no tsy maintsy andehanan'ny fiara. «Mba azoazo ihany io lalana io raha main-tany, fa amin'izao fahavaratra izao dia tsy afaky ny fiara mihitsy», hoy ireo mponina eny an-toerana. Tsy maintsy mijanona eo Manjakatompo ny fiara ary dia mandeha an-tongotra raha hamakivaky ny ala.
«Tato anatin'ny efa-taona no tena naharatsy an'iny lalana iny», hoy ny ben'ny tanànan'i Tsiafajavona Ramilison Pierre Martial. Tsara ihany izy io teo aloha, raha ny nanipihany azy, indrindra tamin'ny fotoana niasan'ny Alemana (GTZ) sy ny UFA (Union forestière d'Ambatolampy). Fa rehefa lasa ireo dia tsy nisy intsony ny fikarakarana.
Nanamafy izany Radanielina, mponina amin'iny faritra iny. «Taloha tamin'ny fotoana mbola nahafahana nitrandraka ny ala, dia nahavatra mihitsy nikarakara an'ity lalana ity izahay, nanao tatatra, nanentsina ny lavaka. Fa amin'izao fotoana izao, noho ny fandraràna ny fitrandrahana azy, dia tsy misy intsony ny fikarakarana azy», hoy ity tantsaha ity.
Anisany miasa betsaka ao amin'ny kaominina anefa ity lalana ao Ambodin' Ankaratra ity, raha ny fanazavan'ny ben'ny tanàna. «Ivezivezin'ny mponina, hamoahana ny vokatra, ovy, tsaramaso, vary ary haninkotrana isan-karazany. Eo ihany koa ny lafiny fizahan-tany», hoy izy.
«Noho ireo rehetra ireo dia miezaka amin'ny fanatsarana azy izahay amin'izao fotoana izao. Efa misy, araka izany, ny tolo-barotra natao ho an'izay orinasa te-hirotsaka amin'ny fanamboarana azy», hoy ihany ny ben'ny tanàna.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Olona roa maty navarin'ny kamiao. Maty tsy tra-drano ny mpamily sy ny mpanampy azy tao anatin'ity kamiao « Mercedes » iray nivadika tao Manerinerina omaly maraina tokony ho tamin'ny roa ora. Tsy fantatra izay antony nahatonga ny loza. Efa nandray an-tanana ny fikarakarana ny loza ny zandary tao an-toerana sy ny fokonolona.
Nieren-doza i Viavy Chila. Soa fa tsy tao anatin'ny fiarany i Viavy Chila, omaly maraina. Niharan-dozam-pifamoivoizana tao akaikin'i Maevatanàna tao, 10 kilometatra tsy hidirana an'i Maevatanàna, mantsy ny fiarany. Nivadika ary nivarina tany anaty hantsana. Ny mpamily no nitondra azy izay voalaza fa naratra mafy ary somary atahorana ny fahasalamany.
Tompon-trano voatsatok'antsy. Teo amin'ny tarehiny sy ny feny ary ny lamosiny no notsatohan'ireo jiolahy ny antsy ilay rangahy tompon-trano notafihiny tao Miandrandra Imerintsiatosika, ny 7 oktobra teo. Very ny vola 2 620 000 ariary. Fianakavian'ity voatafika ihany no voarohirohy amin'izany izay natolotra ny Fampanoavana, omaly tao Arivonimamo.
Nangonin'i




Ampahibe
May ny minisiteran'ny Fiarovana
Nodedahan'ny afo, omaly antoandro, ny birao tao amin'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena. Raha ny fanazavana azo tamin'ireo miaramila miasa ao amin'ity minisitera ity, dia birao iray eo am-pitan'ny biraon'ny minisitra no nirehitra. Birao fivantanan'ireo taratasy tonga avy any ivelany sy fandefasana ireo taratasy ho any ivelany ihany koa.
« Tamin'ny 12 ora sy sasany, amin'ny fotoana tsy fisian'ny mpiasa no nampirehitra azy. Miaramila tety ivelany no nahita izany. Ny fidonaky ny setroka mainty nivoaka avy tao amin'ny varavaran-kely, tazana avy tety amin'ny biraon'ny
minisitra, no nanaitra azy ireo », hoy ireo nahita maso. Nosoritan'izy ireo tamin'izany fa nihidy tsara ny trano. Izany hoe efa tsy nisy tao intsony fa lasa nisakafo ireo miaramila telolahy niasa tao amin'ity birao ity.
Voatery nopitsohana, araka izany, ny varavarana namonjena ny afo. Ary indray nifarimbona tamin'ny famonoana izany ireo miaramila rehetra mbola tavela tao amin'ny birao. Nisahotaka araka izany ireo mpiasa. Poa toy izay ny namoahan'izy ireo ny solosaina tany amin'ny biraony avy.
Teo amin'ny 30 minitra teo dia voafehy ny afo. Tonga ihany koa ny mpamonjy voina avy eo ka nanampy tamin'ny famonoana azy tanteraka.
Soa ihany fa tsy nisy taratasy sy fitaovana saro-pady tao amin'ity birao ity. Tsy misy afa-tsy latabatra sy seza no tao aminy.




Toby Akamasoa
Najifan'ny mpangalatra ny vary 52 lasaka
Vaky indray ny trano fitehirizam-bary teny amin'ny toby Akamasoa teny Ambohimahitsy. Vary 52 gony mitentina roa tapitrisa ariary mahery no indray very.
Nisehoana vaky trano indray teny amin'ny tobin'ny mompera Pedro teny amin'ny Akamasoa Ambohimahitsy. Trano lehibe iray fitehirizam-bary no nisy namaky tamin'izany ka vary amin'ny gony miisa 52 lasaka no indray najifa tao. Ny faran'ny herinandro teo no nitranga ny vaky trano.
Tsy nisy fahavakisana ny varavarana, raha ny fanazavana azo teny an-toerana, fa dia nihidy tsara ny trano. « Raha ny fijery azy dia toy ny nanana ny gadana hidin-trano ireo mpangalatra. Gadana roa no indray manidy ny trano. Saingy ilay iray faharoa nosoloin'ireo jiolahy ny hidiny. Ilay gadana iray voalohany moa dia nihidy tsara tamin'ny fanalahidiny », hoy ireo tompon'andraikitra tao an-toerana.
Tsy fantatra
Misy mpiambina tsara, raha ny fanazavana azo, tao amin'ity trano ity. Saingy nilaza ho tsy nahita izay namaky ny trano izy.
Raha ny fanazavana nangonina teny an-toerana dia tsy fantatra mazava mihitsy izay tena andro namakian'ireo mpangalatra ny trano. Ny zoma hariva mantsy no nisokatra farany ny trano ary tsy nivoha intsony raha tsy ny alatsinainy maraina. Teo am-pamohana ny trano nahita ny fanalahidy iray tsy nety nivoha ny mpiandraikitra tao aminy vao zendana. Nopitsohana mihitsy mantsy, raha ny fanazavana azo, ilay gadana faharoa vao nivoha. Ary raha vantany vao nivoha ny trano dia ny fahabangan'ny vary tao an-trano no tazana voalohany.
Natao ny fanisana ary teo no nanamarihana fa vary 52 lasaka no very.
« Nanam-potoana mihitsy, araka izany, ireo jiolahy nitatitra ny entana », hoy ireo mponina teny an-toerana.
Vary natao hozaraina ho an'ny beantitra ireto vary ireto, raha ny fanazavana azo teny an-toerana. Vary izay fanampiana ho azy ireo mandritra ny herinandro. Beantitra eo amin'ny 450 eo mantsy no indray mahazo fanampiana ao amin'ny tobin'i Mompera Pedro ary indroa isan-kerinandro no fizarana izany.
Tsy nanao tatitra tany amin'ny zandary moa ireo mpiandraikitra tao amin'ity toby ity amin'izao fahavakisan'ny trano fite-hirizam-bary izao. Kanefa na izany na tsy izany dia nandray andraikitra izy ireo amin'ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ny fitadiavana ny entana, toy ny fisavana (misy 600 any) ao amin'ny toby. Noraisina ihany koa ny andraikitra tamin'ilay mpiambina ny trano.
Voalaza moa fa tsy eto an-toerana i mompera Pedro amin'izao fotoana isehoan'ny vaky trano izao.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Trano gasy kila forehitra. Efitra efatra tao amin'ilay trano gasy teny Anjanahary, omaly tolakandro no kilan'ny afo. Tratry ny afo hatramin'ny trano kely natao fitoeran'akoho. Lakozia tao amin'ny rihana voalohany no nipoiran'ny afo ka nahazo ireo efitra teo akaikiny. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra fa ny biby fiompy, reny akoho be efatra nitarika no maty tao.
Sambo voasazy handoa lamandy. Voaheloka ilay sambo tratra nanjono an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Toliara ny fiandohan'ny herinandro teo. Lamandy mitentina 123 000 dolara na 80 000 DTS no tsy maintsy aloany amin'ny fanjakana Malagasy. Atsantsa milanja 36 taonina moa no indray tratra tao anatin'ity sambo ity.
Tompon-trano voatsatok'antsy. Teo amin'ny tarehiny sy ny feny ary ny lamosiny no notsatohan'ireo jiolahy ny antsy ilay rangahy tompon-trano notafihiny tao Miandrandra Imerintsia-tosika, ny 7 oktobra teo. Very ny vola 2 620 000 ariary. Fianakavian'ity voatafika ity ihany no voarohirohy amin'izany ary natolotra ny Fampanoavana.
Nangonin'i




Fitsaboana
Hiatrika fandidiana indray i Bosco
Tapa-bolana izao i Bosco, ilay notifirin'ny polisy teny Ankasina, no tsaboina eny amin'ny hopitaly. Mbola tsy tafarina eo am-pandriana izy ka tsy maintsy hodidiana.
Mba efa nodinody ny endrik'i Bosco amin'izao fotoana izao raha miohatra tamin'ny nahitàna azy tamin'ny voalohany. Izy moa dia ilay raim-pianakaviana mpivarotra notifirin'ny polisy teny Ankasina, ny alarobia 8 oktobra teo satria nolazainy hoe jiolahy.
Na izany aza anefa dia tena mbola ao anatin'ny tsy fahasalamana tanteraka izy satria tsy mbola afaka miarina eo am-pandriana. « Na ny malotony aza mbola tatazana amin'ny tavi-mandry fa tsy afa-mitsangana izy », hoy ny reniny Razanadrasoa Marie Joséphine izay miandry azy eny amin'ny hopitaly.
Mila fanampiana
Ny lavaky ny bala teo amin'ny hato-tongony roa no nambaran'i Bosco fa tsy dia maharary azy intsony. Fa ny amin'ny tratrany ary indrindra fa ny eo amin'ny feny no tarainany mafy.
« Efa tsy dia maninona ahy ny lavaka roa nidiran'ny bala sy nivoahany eo amin'ny tratrako, fa ilay fahatelo namoahana rano maloto no maharary ahy. Toy izany ihany koa ny eo amin'ny feko. Mivonto kely mihitsy aza izy io satria nahazo taolana ilay bala nitrobaka teo, raha ny filazan'ny dokotera. Mbola hiatrika fandidiana amin'io aho izao », hoy Bosco.
Araka izany, sahiran-tsaina mafy izy. Ny fitsaboana tsy maintsy atrehina, ny vady aman-janaka ihany koa anefa eritretina, indrindra fa vao tera-bao ny asabotsin'ny nahavoazany ny vadiny.
« Ny lafiny ara-bola, no tena manahirana anay. Tsy misy ny vola », hoy i Bosco sy ny reniny. Ny mpitsabo anefa efa nilaza ny amin'ny fiomanana amin'izay fandidiana izay, raha ny fanazavan' izy ireo.
Nosoritany mantsy fa efa bebe ihany ny vola laniny tao amin'ny hopitaly, izay mahatratra hatrany amin'ny enina hetsy latsaka kely, nandritra izay tapa-bolana nahavoa azy izay. « Ankoatra ny kely teo am-pelatanako nanampy daholo na ny fiana-kaviana, na ny olom-pantatra, na ny fiangonana indrindra fa ny fokonolona », hoy i Bosco. Dia izao hiatrika fandidiana fanindroany izao indray.
Nosoritan'i Bosco mantsy fa tsy misy afa-tsy izy irery ihany no mampidi-bola ao an-tranony. Ny vadiny tsy miasa fa mikarakara tokantrano ary na hiasa ihany koa aza amin'izao fahasahiranany izao, dia tsy afaka noho izy vao tera-bao.
« Mafy ny mahazo, mizaka ny tsy eran'ny aina tsy fidiny sy mitondra ny mafy amin'ny zavatra tsy natao », hoy i Joséphine.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zaza roa main'ny afo. Any amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao ireo zaza roa main'ny afo tao andranovato, kaominina ambanivohitr'i Farahalana, distrikan' Analalava. Haintrano nitranga tao amin'ity tanàna ity ny alarobia hifoha alakamisy, tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, no nahatonga ny loza. Tsy fantatra mazava izay niavian'ny afo. Efa tonga tany an-toerana nijery akaiky ny zava-misy ny tompon'andraikitra any an-toerana miaraka amin'ny mpitandro ny filaminana.
Mpitaingina bisikileta nodonin'ny kamiao. Naratra mafy ilay mpitaingina bisikileta nodonin'ny kamiao teny amin'ny araben'i By-Pass iny, tao Amoronakona, kaominina ambani-vohitr' Ambohimangakely, ny 16 oktobra teo tokony ho tamin'ny 6 ora hariva. Potika tanteraka ny bisikileta nentiny.
Fiompiana akoho kilan'ny afo. Zanak'akohokely miisa 1 450, mitentim-bidy hatrany amin'ny 34 tapitrisa ariary no indray kilan'ny afo tao Fiakarana, kaominina ambanivohitr'Anosiala, ny 16 oktobra tolakandro teo. May tanteraka tsy nisy noraisina hatramin'ny trano nitoerany. Mitentina hatrany amin'ny 50 tapitrisa ariary any, raha natontaly ny tetibidin'ny fahavoazana.
Nangonin'i




Fandikan-dalàna
Misy foana ny mpiasan'ny Fitsarana voasazy
«Misy foana ny mpiasan' ny Fitsa-rana voasazy. » Io no nambaran'ny minisitry ny Fitsarana, Ramanandraibe Bakolalao, omaly tao amin'ny lapan'ny Fitsarana tao Anosy, tamin'ny fanazavana fohy mikasika ny zava-misy eny anivon'ity minisitera iadidiany ity. Ao ny fanaovan-kolikoly, ny tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana, ny tsy fanajana ny asa, ny tsy fanarahana ny fomba fanatanterahana ny asa...
Nihaona mivantana tamin'ireo mpiasan'ny Fitsarana rehetra tsy ankanavaka teto an-drenivohitra (nisy ihany koa ny avy any amin'ny faritra samihafa) mantsy ny tenany. Nanomboka tany amin'ny mpitsara, ny fandraharahana ny fonja ka hatrany amin'ny mpian-draiki-draharaha sy ny mpiki-rakira taratasy samihafa ao amin'ny fitsarana ao.
Tamin'izany no nampahatsiahivany ireo andraikitra sy ny fitsipipifehezana ary ny lalàna mifehy ny rehetra amin'ny fanatontosany ny asany. « Ankoatra ny sata mifehy ny asan'ny tsirairay, dia misy ny didy aman-dalàna mifehy ny rehetra amin'ny fanatanterahana ny asa, satria ny rehetra dia eo ambanin'ny lalàna avokoa », hoy izy.
Mikasika ny Fitsarana rehetra dia nosoritan'ny minisitry ny Fitsarana fa misy ny fanamby napetraka araka ny voasoritra ao anatin'ny MAP, ny hananana fahamarinana, ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna. Ao anatin'izany ny fiadiana amin'ny kolikoly, ny fanatsarana sy ny fanafainganana ny raharahampitsarana, ny fiarovana ny zon' olombelona, ny fanatsarana ny fikarakarana ny voafonja ary ny fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana ny asam-panjakana.
Anisan'ny zava-dehibe amin'izao fihaonana nataon'ny minisitra mivantana tamin'ny mpiasa izao ny amin'ny hiton-dran'ny tsirairay « badge » iarovana azy indrindra manoloana ny asa ratsin'ireo mpisoloky isan-karazany.





Alan'i Manjakatompo
Mpiasa roa no miambina ny ala
Tsy ampy ny mpiasan'ny Rano sy ala miambina ny ala ao Manjakatompo. Tsy misy afa-tsy roalahy fotsiny, nefa ny velarana ambenana mahatratra 8 000 ha.
Valo arivo hekitara eo ny velaran'ny alan'i Manjaka-tompo. Izay no tsy maintsy arovana sy arahin'ireo mpiasan'ny minisiteran'ny Rano sy ala maso izay napetraka hiasa any amin'iny faritra iny. Midadasika tokoa ny toerana, nefa dia tsy misy afa-tsy mpiasa roa ihany izy ireo no misahana izany.
« Tsy ampy mihitsy ny mpiasa raha miohatra amin'ny velarana iasana. Ny ala tsy maintsy jerena, arahi-maso ny mitrandraka antsokosoko azy, ny eto amin'ny hidin-dalana ihany koa anefa tsy azo ialana. 30 lahy izahay no niasa teto taloha. Nefa izao roalahy fotsiny », hoy Razanadrakoto Marcel, mpiasan'ny minisiteran'ny Rano sy ala, miambina ny alan'i Manjakatompo any an-toerana.
« Isan'andro ny iray aminay tsy maintsy mandeha mijery ny ala any an-toerana mihitsy. Dia an-tongotra no atao amin'izany satria na dia fitaovana, toy ny moto na bisikileta, aza tsy misy », hoy ihany ity mpiasa ity nanamafy.
Izany hoe raha atambatra izany dia tsy maintsy mahavita dia an-tongotra eo amin'ny adiny efatra isan'andro eo izy ireo. Adiny roa mandroso, dia izay ihany koa no lany iverenana. Mbola vao ampa-han'ala ihany anefa no vita amin'io.
Tsy ampy ny teti-bola
Nanamafy izay nolazain'ity mpiasan'ny Rano sy ala ity izay moa ny talem-paritry ny fitantanana ny ala amin'iny faritr'i Vakinankaratra iny, Rakotoarimalala Andriantiana. « Fony izahay niaraka tamin'ny fitantanan'ny UFA (Union forestière de l'Ankaratra) no nampisy an'ireo olona 30 lahy niambina ny ala ireo. Izao nofoanana ny fiaraha-miasa tamin'ny UFA dia tsy misy afa-tsy ireo mpiasan'ny Rano sy ala roalahy ihany sisa tavela », hoy izy. Notsoriny ny tsy fahampian'ny mpiasa eo amin'ireny vondron'ala arovana ireny. Noho ny tsy fahampian'ny teti-bola eo anivon'ny minisitera no nosoritany fa antony mahatonga izany.
Toy izany ihany koa ny lafiny fitaovana. Nambaran'ity tompon'andraikitra ity fa tsy manana ny ho enti-miatrika izany asany izany ihany koa ny sampandraharahan'ny Rano sy ny ala. Mbola an'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, ny GTZ sy ny UFA, avokoa mantsy ny fitaovana nisy teo aloha, toy ny fiara matanjaka (4x4), ny fiara famonoana afo. Ka rehefa lasa izy dia tsy nisy intsony izany. « Dia izay tratry ny mpiasa sy azony atao ihany no atao », hoy izy.
Razanadrakoto Marcel izay mpiasan'ny minisitera miambina ny ala any an-toerana moa nilaza fa ny dia an-tongotra vita ihany fa ny lafiny fandriampahalemana no tena atahorana.
« Tsy fantatra mihitsy mantsy izay olona hifofo ny aina any anaty ala any, satria ny tena hitsongoloka sy hitsikilo izay zavatra tsy ara-dalàna ataon' izy ireo any. Mangina dia mangina ny làlana ary rehefa tena hiditra ny ala dia tsy mahita tanàna firy intsony », hoy izy.





Vola
«Ny vola no maha Rangahy» hoy ny fiteny.
Asa anefa ny mety ahazoan'ny zanaka amam-para io «Rangahy» io.
Mety ho azony sary an-tsaina ilay dadabe efa reraka, fotsy volo sady solapaika, efa tohanam-potsiny... Rangaby osa. Ho an'ny Ntaolo anefa dia ilay tremalahy, mpanefoefo, manontany ny ory... Rangahy mahavita azy.
Tsy lela vola ihany no vola, fa any ny omby aman'ondry, ny akoho amamborona an-jato na an'arivony. Any ny tanimbary tsy taka-maso sy ny tanety mitomandavana mbamin'ny hazo fihinam-boa sy ny ala kininina arivo fototra...
Dia tsy miroa fo, tsy mandry andro, tsy mandry alina isika rehetra mitady an-dRa-vola. -Tsy ilay renibeko io akory-, fa ilay vola mampilendalenda, mahajamba, manadala, manjioga mihitsy aza, ka toy izay izy no hahanompo sy hitahy ary hampiadana, dia ny tena indray no zary mpanompony, andevoziny, ataony taingim-bozona. Tsy avelany ho afa-diana ka asainy mivezika hatraiza hatraiza, toa olona voan'ny fanainga lavitra. Aza mba voany ihany! «Anaran-tany no Ambohimanambola, fa ny manana ihany no manana».
Fa inona tokoa moa no tsy efany vola? «Ny mpivarotra te-hahalafo, ny mpividy te-hahazo mora», mba hihinanana ny ambiny, fa « sitrany ahay vaza-mihetsika», na dia marina aza fa « Ny te-hanana tsy mahaleo ny ambininy ». Ireo «tsy mahadigny raha ela kosa» dia tsy misalasala manao hitsin-dalana ka mividy ny marina sy mandafo ny lainga; manambaka ny tsy mahay sy manolikoly ny manam-pahaizana sy ny manam-pahefana mbamin'ny manan-katao; mamadika ny namana, ny havana, ny ray aman-dreny sy ny iray tampo. Vola no andresena any amin'ny Fitsarana. Vola no ivarotana tanindrazana. Koa tsy mahagaga raha vola telopolo no nanoloran'i Jodasy ilay mpampianany ho faty. Ary moa tsy efa marobe ireo olona matintsika tamin' ny vola sy noho ny vola ? Ao ireo maty namoy aina; ao ireo maty very fananana, very fonenana, very zo. Raha misy manontany izany, dia hoy aho : Izay tsy mbola nanota tamim-bola no aoka hitora-bato ahy voalohany.
Dia hoy ity mpitoriteny anankiray : «Vola, vola, vola, vola ihany, vola foana, resa-bola lava izao : mandeha, vola; mipetraka, vola; manonoly, vola, mihinana, vola; miasa, vola;... Kanefa ny vola tsy hanaraka any am-pasana, tsy hanohy any an-koatra. Ny vola tsy mahavonjy fa manary amin'ny tena sarotra, dia amin'ilay andro anankiray tsy azo idifiana. Vitan'ny vola ny zava-drehetra afatsy ny manidy ny varavaram-pasana, fa matetika kosa ary tena hainy ny mandrindrina ny varavaran-danitra. Koa « Manaova soa tsy hanenina », hoy ny hirahira, satria «Ny nenina tsy aloha hatao mbay làlana fa afara handatsa».
Ralaivao Joseph




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Toerana fitehirizana fanafody nirehitra. Efitra iray manontolo tao amin'ny toerana fitehirizana fanafody ao Ambozontany Fianarantsoa, no kila forehitra afak' omaly alina. « Cout-circuit » no nahatonga ny loza raha ny fanazavana azo. Mba avotra ihany ny ankamaroan'ireo fanafody tao.
Mpanakanto tsy nandoa volan'ny hotely. Natolotra ny Fampanoavana ny faran'ny herinandro ity mpanakanto iray tsy nandoa hofan'ny hotely nipetrahany teny Anosy. Iray volana izy no naka efitra tao. Entana vitsivitsy no navelany tao amin'ilay hotely nivahinianany dia iny izy no tsy hita, nifindra hotely indray.
Lehilahy novonoina. Tao anaty barika no nafatratr'ireo jiolahy ny fatin'ilay lehilahy novonoiny tany Andilamena. Lehiben'ny ivon-toerana fanangonan-ketra izy ity. Nitetika ny hangalatra ireo vola tao anaty kofra ireo jiolahy tamin'io. Saingy tsy nahavaky. Dia ilay lehilahy no novonoiny.
Fiompiana akoho kilan'ny afo. Zanak'akohokely miisa 1 450 indray kilan'ny afo tao Fiakarana, kaominina ambanivohitr'Anosiala, ny 16 oktobra tolakandro teo.
Nangonin'i




Ampotaka-Mangamila
Nitokona ireo mpivavaka sasany
Samy naka toerana ireto mpivavaka tao Ampotaka, omaly. Ny mpomba ny mpitandrina nivavaka tao am-piangonana, ny tsy mankasitraka kosa nitokona teo an-tokontany.
Hatramin'izao, tsy mbola nivaha ny olana ao amin'ny FJKM Ampotaka-Mangamila. Vao mainka aza nihamafy izany satria raikitra ny fitokonan'ireo mpivavaka sasany eo anoloan'ny tokontanim-piangonana.
Nirentirenty ny soraba-venty naneho ny tsy fanka-hasitrahana ny mpitandrina sy ny fitarainana amin'ny sinodam-paritany : « Aiza ny fanapahan-kevitry ny sinodam-paritany ?, Mpitandrina tsy mihaino feon'ny vahoaka mpino, mialà tsy ho mpitan-drina eto intsony ianao, ny maro an'isa ve no ekena sa ny didy jadona ?, voninahitr' olombelona sa ny voninahitr' Andriamanitra ? ... »
Tsy havoaka an-gazety
« Tsy hijanona intsony izahay amin'izao hetsika izao mandra-pialan'ny mpitan-drina », hoy Razanamaharo Julienne, mpihevi-draharaha nalàna tao amin'ity fiangonana ity ary anisan'ireo mpitokona. Nohazavainy fa hatrany am-piandohana no efa tsy nanka-sitraka ny fananganana an'ity trano fiangonana ao Ampotaka Anosifito Fanantenana ity ny mpitandrina Ramarokoto Heritiana.
Nosoritany fa mbola namitaka ny mpino ao aminy ihany koa izy, tamin'ny alalan'ilay vola iray tapitrisa ariary mahery izay nokasaina hanaovana varavaram-ben'ny fiangonana. Nefa nentina nandoavana ny adidy tany amin'ny sinodam-paritany.
« Mpitandrina efa nisy olana tamin'ny mpino tao amin'ny reny fiangonana tao Mangamila izy, nefa mbola nalefa taty aminay ihany. Na ny mpitandrina no miala, na ny fiangonana no akatona », hoy Randrianaivo nanampy.
Raha nanontaniana mikasika izany raharaha izany ny pastora Ramarokoto Heritiana dia naneho mazava fa tsy afaka ny hanome fanazavana izy noho ny rafitry ny fiangonana izay tapaka tamin'ny zaikabe natao tany Mahajanga. « Tsy azo havoaka an-gazety ny raharaham-piangonana, fa alamin'ny foibe FJKM. Izy irery ihany no afaka mamoaka izany raha hitany fa mety ny hanaovana izany », hoy izy.
Ireo mpivavaka manara-dia azy no nilaza fa olona iray ao amin'ireo mpitokona ireo no mampikorontana sy mampizarazara ireo mpino ao aminy. « Ny foto-dalànan'ny fiangonana FJKM mihitsy no tsipahin'izy ireo », hoy ny filohan'ny sampana lehilahy kristianina Rasolofo Andriamanga Haja Martin.
Marihina fa fiangonana vao naorina ity ao Ampotaka ity. Ny volana desambra 2007 teo izy io no nosokafana, na dia tsy mbola vita hatramin'ny farany aza. Nefa dia izao tratry ny disadisa izao sahady. Mikatso, araka izany, ny famitàna azy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Olona 7 notanana am-ponja. Olona 12 no voarohirohy tamin'ilay famonoana tantsambo vahiny, Abdal M., izay anisan'ireo tantsambon'ny sambo Jean Pierre Calloch, tao Nosy Be ny fiandohan'ny volana oktobra teo. Ny fito notanana am-ponja vonjimaika dia natolotra ny Fampanoavana. Ny dimy nahazo fahahana vonjimaika.
Vahiny vavy lasan'ny ranomasina. Nidiran-doza, ny 19 oktobra teo, raha nilomano tao amin'ny moron-tsirak'i Mahambo tao Feno-arivo atsinanana ilay teratany vahiny vavy, 69 taona. Tafiditra tany afovoan'ny rano, lasa 100 metatra miala ny sisin-dranomasina izy ka sendra ny onja mahery.
Mpivady voatifitra. Naratra teo amin'ny hatony ilay raim-pianakaviana notifirin'ny dahalo raha nieren-doza ny vadiny. Mpivarotra izy ireto. Olona telo no tratran' ny zandary taorian'ny fikarohana.
Nangonin'i




Ambalavao
Nijery ny zava-bita ny depiote
«Ny hahatonga an'Ambalavao ho fitaratra eo amin'ny fampan-drosoana no tanjona », ny solombavambahoaka voafidy tamin'iny faritra iny, Ratalata Georges, no nanambara izany. Tany Ambalavao, ny herinandro teo, nandritra ny fitsidihany sy ny fijereny ifotony ireo fotodrafitrasa maro notanterahina tany an-toerana izy no nilaza izany.
Tao ny tohodrano lehibe ao Ankaranarivo kaominin' Ambohimandroso. Mamatsy rano an'Ambalavao sy manondraka tanimbary hatrany amin'ny 1 000 ha izy io. Eo koa ny CEG faharoa, ny lycée ao Ambohimahamasina, 15km miala an'Ambalavao, ny lycée ao Ankaramena (42km miala an'Ambalavao).
Anisan'ny zava-dehibe tokoa ny fahavitan'ity trano fianarana iray ity satria manamaivana ny fahasa-hiranan'ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin'ny fandratoana fianarana ho an'ny mpianatra noho ny fahalaviran'ny làlana. Saika nivangongo tao Ambalavao avokoa mantsy ny mpianatra tamin'ireo kaominina manodidina azy. Tsy naharaka, araka izany, ny efitrano fianarana ka voatery tao amin'ny biraon'ny kaominina sy ny minisiteran'ny Fambolena no nianatra.
Ezaka goavana, araka izany, no vitan'ny fokonolona tany an-toerana niaraka tamin'ny depiote Ratalata Georges. Notsindriany tamin'izany fa rehefa mitam-batra ny hery ka misy ny firaisan-kina dia tsy maintsy mahavita zavatra.




Ankorondrano
Ifandrombahana ny trano ravan'ny CNaPS
Na dia tsy azo ampiasaina araka ny ilàna azy aza ireo kojakojan-trano tao amin'ny tranon'ny CNaPS tetsy Ankorondrano, dia mbola nifandrombahana.
Vao maraina, omaly, dia tomefy olona teo anoloan' ny vavahadin'ny polisy Ankorondrano. Tsy hanao raharaha tao amin'ny polisy no anton-dian'izy ireo fa hamonjy sy hividy ireo kojakojan-trano samihafa avy amin'ireo tranon'ny CNaPS noravàna tao amin'ny Village des jeux, toy ny goro-dona, biriky, tsivalan-kazo...
« Na dia efa tonta aza mantsy ireo fitaovana ireo, dia mbola misy azo raisina sy ampiasana tsara ihany. Ka izany no antony hama-rotana azy amin'ny olona. Amin'ny vidiny mirary no hamarotana azy amin'izany anefa mba hitsinjovana ireo vahoaka mila izany », hoy Randriamanantena Théo, filohan'ny firaisankinan'ny mpiasan'ny CNaPS, tonga teny an-toerana nanara-maso ny famarotana.
Trano 82 narodana
Dia samy tonga nanatona teny daholo nividy ny kojakoja tamin'ireo trano noravàna, araka izay mahaliana azy, ny sokajin'olona samihafa. « Manao trano aho ka ilaiko ny gorodona », hoy i Henriette. Gorodona iray sarety ny azy no novidiany izay nandaniany vola hatrany amin'ny 30 000 ariary. « Ny ahy indray ny biriky no nahamaika ahy. Entiko amidy fa misy manao komandy », hoy indray i Simon.
Samy manana ny vidiny avokoa mantsy ireo kojakoja rehetra nesorina tamin'ireto trano ireto. Manomboka any amin'ny 500 ariary ka hatrany amin'ny 4 000 ariary.
Trano miisa 82 no indray narodana tao amin'io faritra nanorenan'ny CNaPS trano io. Orinasa iray no niantoka ny fandravàna azy, fa ny entana avy amin'izany dia raisin'ny CNaPS izay tompon'ny trano.
« Entina hanatevenana ny kitampom-bolan'ny CNaPS eo amin'ny lafiny ara-tsosialy ny vola azo avy amin'ny vidin' ireo kojakoja ireo », hoy Randriamantena Théo.
Nosoritany moa fa efa hatramin'ny faran'ny herinandro teo izy ireo no nanomboka nivarotra ireo kojakojan' ny trano rava ireo.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Kianjan'omby norobain'ny dahalo. Omby 40 no indray noroahin'ny dahalo tao amin'ny kaominin'i Bemarivo Ambatomainty, ny 15 oktobra teo. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary avy ao Besalampy ka tafaverina tamin'ny tompony ny omby 20. Ireo dahalo sy ny omby sisa kosa tafatsoaka ary mbola mitohy ny fanen-jehana azy.
Niakatra ny Fampanoavana indray i Bolo. Nohadihadiana indray i Bolo na ny jeneraly Razafindrazaka Emmanuel. Ilay raharaha fanonganam-panjakana indray no mbola namotorana azy.
Nangonin'i




Fitaterana
Gaboraraka ny eny amin'ny fasan'ny Karana
Toerana iray anjakan'ny gaboraraka ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra eny amin'ny fasan'ny Karana. Na ny lamina apetraka eny aza dia toa tsy mampiraika ny mpamily sasany.
Raha mbola misy ihany koa toeram-piantsonan'ny fiara mpitatitra mikorontana dia anisany voalohany ny eo amin'ny fasan'ny Karana. Asa raha noho io toerana io tsy mbola raikitra fa karazan'ny vonji-maika hatramin'izao no antony na ahoana. Fa dia manahirana mihitsy ny fidirana ao.
Miavaka tsara ny fipetra-han'ny karazan'ny zotra misy ao amin'ity toerana ity satria sarahin'ny tamboho, araka ny toerana alehany. Fa eo amin'ny fidirana ao no tena manahirana noho ireo mpanera mihaohao eran'ny tanàna.
Vantany vao misy fiara mijanona, na fiara karetsaka ity na taxi-be na fiara tsotra, dia ry zalahy no mihazakazaka mamonjy azy. Rehefa tafidina ny fiara indray ny mpandeha dia vonjeny itangoronana. Ny sasany misarika miankavia, ny hafa misarika mianka-vanana. Mbola misy mihitsy ny mpanera no misarika mpandeha, na dia efa manana ny zotra tiany handehanana aza izy ireo.
Tsy miraika
Eo amin'ny fandaminana izay, fa na eo amin'ny lafiny fametrahana fepetra koa aza dia hita ho tsy maharototra firy an'ireo mpamily fiara. Iray amin'ireny ilay andrana napetraky ny ATT amin'ilay fizahana ny fiara mialoha ny hamenoany olona.
« Manelingelina, manahirana, mahabe raharaha, manatara fotoana... », hoy ireo mpamily tafaresaka tamin'ny mpanao gazety. Izany hoe raha tsorina dia hita ho tsy mahafaly ny ankamaroan'ireo mpamily fiara izy ity. Heverin'ny sasany ho vazivazy mihitsy aza ilay izy. Ho an'ny ATT anefa, araka ny tenin'ny taleny, Rakotondrajoa Samuel, dia nahitana fahombiazana ny andrana natao.
Naneho mazava izy fa tsy hijanona ny fanatanterahana an'ity raharaha ity fa hitohy. « Hanomboka amin'ity herinandro ity ny fametrahana azy ary hisy ny tapakila omena ny mpamily », hoy ny talen'ny ATT.
Na eo aza anefa izany dia misy ihany ny mpamily mankasitraka ny fametrahana an'ity fitiliana fiarakodia eny amin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra ity.
« Tsy misy intsony ny tompona fiara na ny mpamily manao antsirambina ny fiarany amin'io. Saingy tokony ho jeren'ny Fanjakana akaiky ny fanampiana ny mpitatitra amin'ny zotra nasionaly », hoy izy ireo.





Documentaire
Un film sur les Réunionnais
Un documentaire sur des Réunionnais habitant à Madagascar vient d'être présenté à l'hôtel Colbert. Il présente de l'intérêt pour les chercheurs.
L'histoire ne s'oublie pas. D'une manière ou d'une autre, elle trouve une réincarnation à travers le temps et l'espace. C'est ce qu'a voulu démontrer le réalisateur Patrice Félicité à travers son nouveau documentaire, présenté officiellement à l'Hôtel Colbert, mardi dans la soirée.
Intitulé «Mémoires de Réunionnais à Madagascar», le document se concentre à des descendants de créoles devenus « zanatany », c'est-à-dire de véritables enfants du pays.
Dans son reportage effectué dans diverses régions de l'Ile, de Diana à Sakay, de l'Est jusqu'au Vatovavy-Fitovinany, le réalisateur a ciblé quelques descendants de grandes familles créoles pionnières répondant à des noms comme Payet, Hoareau ou Morel.
Les témoignages de ces derniers révèlent que certains d'entre eux descendent d'ancêtres installés dans la Grande île depuis les débuts du XIXème siècle. D'autres se sont implantés avec la colonisation.
Inachevé
Mais en commun, ils ont réussi une belle intégration dans la société malgache. Grands propriétaires de terrains, marchands, exploitants miniers, marins, etc., ils ont joué de rôles importants pour l'économie.
La plupart a connu la bienséance du métissage au fil des années. Mais leur seul et le plus grand regret, c'est qu'ils sont oubliés par la France. «On nous a oubliés», déplore un vieil homme de 85 ans devant la caméra du réalisateur.
Soutenue par l'Association des Français volontaires du progrès (AFVP), l'initiative apparaît comme un devoir de mémoire en faveur de ces Réunionnais, dont la présence a aussi bien nourri l'histoire de Madagascar que les recherches quelque peu mises dans la zone d'ombre.
« Depuis toujours, les recherches se concentrent davantage sur les Malgaches reconnus comme les premiers habitants de l'île de La Réunion. Mais on oublie trop souvent que des Réunionnais sont venus s'installer à Madagascar et ont décidé d'y rester malgré les péripéties de l'histoire », déplore Wilfrid Bertile, vice-présidente de la région La Réunion.
Disponible uniquement sur DVD, ce film assez court de 22 minutes est conçu pour tous les chercheurs du pays. « C'est un travail intéressant mais malheureusement inachévé », regrette Harry Langlois, président de la Société mutuelle d'entraide réunionnaise (SMER), venu à la présentation du film.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Tratra ireo nandroba mpividy vato. Roa naiditra am-ponja, telo nahazo fahafahana vonjimaika tamin'ireo voasambotry ny zandary tamin'ilay fanafihana mpividy vato tao Ambilobe, ny alin'ny 24 septambra teo. Vatosoa mitentina 50 tapitrisa ariary, lelavola 3 200 000 ariary, « lecteur DIVX », fitaovana fitiliana vatosoa, CD, sakaosy feno fitafiana, firavaka volamena... no norobain'ireo jiolahy tamin'izany ary saika tafaverina.
Fikambanana hikarakara ankizy sahirana. Amin'ny volana janoary 2009 ho avy io no hisokatra eny Malaza Fenoarivo ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana hitaizana zaza sahirana. Teratany frantsay vavy, Gestin Nathalie, no filohany. Efa an-dàlana ny trano handraisana ireo ankizy ireo, izay miisa 600 eo.
Olona roa natolotra ny Fampanoavana. Mpiambina iray sy ny rahalahiny no voarohirohy ho namono an'ilay teratany alemana lahy nodorana tao anaty dabam-pako teny Faravohitra, ny fiandohan'ny volana oktobra teo. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana tao Anosy.
Olona efatra matin'ny pesta. Mpivady niaraka tamin'ny zanany lahy iray, 20 taona, ary tovolahy kely 16 taona iray hafa no indray matin'ny pesta tany amin'ny distrikan'i Moramanga, tao Ambohidray. Nanomboka tamin'ny 6 oktobra teo no nihanahan'izany aretina izany tany an-toerana.
Nangonin'i




Soarano
Zaza nilalao « briquet » nandoro trano
Efitra dimy tao amin'ny rihana faharoa tamin'ny trano lehibe iray tao Soarano, no indray nodedahan'ny afo, omaly tolakandro, tokony ho tamin'ny 3 ora teo.
Tsy nisy avotra, araka izany, na dia iray aza, ny entana rehetra tao anatiny, fa may kila forehitra avokoa, araka ny fanazavan'ireo tompon-trano. Hita ho sahiran-tsaina dia sahiran-tsaina nandinika ny loza niseho tao aminy.
« Tsy nisy voavonjy mihitsy, fa tapitra may ao daholo, ankoatra ireo fanaka isan-karazany dia ny solosaina roa, ny vata fahita lavitra, ireo kilalaon'ankizy izay lafo vidy dia lafo vidy toy ny fiara kely sy moto kely ireny. Ny tena zava-dehibe amin'ireny dia ny antontan-taratasinay rehetra toy ny bokim-pianakaviana ... », hoy ity renim-pianakaviana niharam-boina.
Raha ny fanazavany dia afo avy tamin'ny « briquet » nolalaovin'ny zanany no nahatonga ny loza. « Tao amin'ny efitrano fitoeran'ny kilalaony tao ilay zanako mianadahy, lahikely fito taona ary vavy kely dimy taona. Nolalaoviny tao ilay " briquet ". Tsy fantatro izay nataony tao fa rehefa nampirehetiny iny dia nahazo an'ireo baoritra fonon'entana isan-karazany ny afo. Dia nahazo ny " sachets " tamin'ny rindrina sy ny tafon-trano koa, ary nihanaka nandoro ny efitrano rehetra », hoy izy.
Nosoritany fa handeha hanahy lamba tao an-davarangana izy no nahita ny lelafo efa nijoalajoala tao amin'ilay efitrano. « Nanontany azy ireo aho hoe inona ity lelafo be ity, no sady nijery ny tao an-trano. Dia nosintoniko nidina ny tohatra izy mianadahy, no sady niantso ireo olona tao an-trano aho », hoy ihany ilay renim-pianakaviana renin'ireto zaza mianadahy nipoiran'ny loza. Izay vao niolomay namonjy ny tao an-trano mandra-pahaton-gan'ny mpamonjy voina.
Tsy nisy, araka izany, ny aina nafoy na ny naratra, fa ny fahasimban-javatra no tena goavana. « Tsy mbola tena voafaritra tsara raha ny tetibidin'ny entana may, fa raha tombanana dia manodidina ny 20 tapitrisa ariary eo », hoy ity renim-pianakaviana ity.
Tompon-trano izy ireo, raha ny fanazavany, ary mpianakavy avokoa no miara-mipetraka.





Ankorondrano
Mpangalatra kojakojan-trano
Fifanjevoana no hita teny amin'ny trano ravan'ny Cnaps teny Ankorondrano, afak'omaly alina. Saika naripaky ny mpanararaotra ny kojakojan-trano.
Tsy ilaozan'ny mpanararaotra ny fiainana ! Tsy tratra fa efa nirotsahan'ny mpangalatra ny kojakojan-trano noravana teny amin'ny tranon'ny CNaPS teny Ankorondrano, afak'omaly alina. Na hazo, na varavarana, na vy, dia noraofin'ny mpangalatra avokoa. Misy hatramin'ireo fitaovana lafo vidy famanana rano amin'ny herin'aratra mihitsy aza.
Nisy efatra tamin'izany no tratra nobatain'ny olona.
« Tsy tahotra tsy henatra mihitsy ireo mpanararaotra mibata sy mamoaka entana eto imasoko eto. Avoakany ery amin'ny tamboho noravàny ery », hoy Randriamanantena Théo, filohan'ny firaisan-kinan'ny mpiasan'ny CNaPS.
Tetika maty paika
Tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ny famarotana ireo kojakojan-trano noravana izy. Nambarany fa nisy kamiao lehibe iray mihitsy tratra niandry tao ambadiky ny tamboho tao, hamatraran'ny mpangalatra ny entana. Ny entana anefa tokony havoaka amin'ny vavahady lehibe miaraka amin'ny taratasy ara-dalàna.
Nihetsika nanenjika izany moa ny polisy ka telo lahy no indray tratra. Nosoritan'ity tompon'andraikitra ity fa mpiasa nandrava trano tao amin'ity toerana ity ny iray amin'izy ireo, avy any Alatsinainy bakaro. « Misy amin'ireo mpiasa mihitsy no miray tsikombakomba amin'ny olona any ivelany amin'ny famoahana entana », hoy ihany izy.
Tamboho telo ao amin'ity faritra ity no indray vaky amin'izao fotoana izao.
« Iray ihany no vaky tamin'izy io teo aloha. Efa notam-penanay izany raha vao hisy ny fandravana trano. Nefa dia izao nisy namaky izao indray ny sasany,sady mbola niampy », hoy Randriama-nantena Théo. « Ilay iray fahatelo izao, vao alina (mantsy ny afak'omaly alina) no vaky », hoy ireo mpiambina tao an-toerana.
Tamin'io alina io ihany, dia nisy rodobe narahina tora-bato nataon'ireo olona avy any ivelany, niditra an-keriny tao amin'ny faritry ny CNaPS. Saingy nosoritan'ireo mpiambina fa tsy nahahovoka izy ireo. Ankoatra ireo mpiasa mandrava trano izay matory ao amin'ity toerana ity mantsy, dia misy mpiambina sivily ny toerana...
Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny talen'ny fandraharahana eo anivon'ny CNaPS, Rakotomanana. Noraisina ny fepetra ka natsahatra ny asa fandravana trano sy ny famarotana ireo kojakoja. Nametraka fitoriana ny amin'ny fahaverezan'ny entana ihany koa ny CNaPS.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Omby 39 tafaverina amin'ny tompony. Saika tafaverina amin'ny tompony avokoa amin'izao fotoana izao ireo omby 40 norobain'ny dahalo tao Besakay Ampandalovana, kaominin'i Bemarivo, distrikan' Ambatomainty, ny 15 oktobra teo. Tafakatra 39 no azon'ny zandary sy ny fokonolona, satria ankoatra ireo 20 avotra ny andron'ny fanafihana dia nisy 19 hafa indray azo ny 21 oktobra. Iray izany sisa tsy hita.
Tratra i Black mpanendaka. Eny amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy amin'izao fotoana izao i Black, mpanendaka gaigilahy sy mpampihorohoro ny mponina ao an-drenivohitr'i Toamasina. Ny talata teo izy no voasambotry ny polisy. Fanafihana mpizahan-tany, mpitsan-gatsangana, mpitaingina moto, hatramin'ny famakiana trano... no fanaon'ity jiolahy raindahiny ity.
Fatin-jaza hita. Fatin-jazakely, tokony ho folo volana eo, no narian'olona tao Bekitsao Ambohimandroso, distrikan'i Mandritsara, ny 20 oktobra teo, tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany maraina. Tsy nahitana soritra mety ho nahafantarana azy sy izay ray aman-dreniny teny amin'ilay zaza. Efa eo am-pelatanan'ny zandarimaria ny raharaha.
Nangonin'i




Manjakandriana
Roalahy nitondra entana halatra
Nohampangain'ny entana narantirantiny teo amoron' arabe, ny talata teo, ireto lehilahy roa tao Ambohimandry Manjakandriana. Nirongo entana toy ireny hifindra trano ireny mihitsy mantsy izy ireto no sendra nandalo ny zandary. Ao ny kojakojan-dakozia, ny lamba sy ny fitafiana isan-karazany, ny radio, hatramin'ny kidoro...
Nidina ny fiarany ny zandary nisava an'ireto nilanja entana ka nilaza izy ireo hoe entan'olona ho entina hiakatra aty Antananarivo ireo ka miandry fiara hitondra azy. Tsy nahitana taratasy momba ny fitondrana izany anefa teny aminy.
Nitohy ihany ny fisavana ka hatairana ny an'ny zandary raha nahita vola be mitentina telo tapitrisa ariary. Niolankolana nanome fanazavana izy roalahy. Saingy tsy resy lahatra ny zandary ka nentina tany amin'ny birao izy roalahy sy ny entana rehetra.
Natao ny filazana tamin'ny radiom-paritra ho an'ny olona izay vaky trano ka ny ampitson' ny nahatrarana azy roalahy ihany dia tonga nanatona ny zandary ny olona iray izay nilaza fa vaky trano tao an-toerana. Ary rehefa nohamarinina dia azy ireo fananana ireo sy ny vola.




Analakely
Fanamboarana fakan-tsary
Ny asa hatao rehefa hay tsy mila pitsopitsony, fa na dia eny an-kalamanjana aza dia vita. Miaina amin'ny zava-misy Ratiana.
Tsy maka lavitra fa eo am-pipetrahana eny amin'ny Arcades Analakely, am-pitan'ny Sicam, ihany Ratiana, na Ratovomaronarivo Lalatiana, no miasa. Manamboatra fakan-tsary izy. « Tsy manana trano fiasana aho fa eto ihany no manao azy. Efa fantatry ny olona rahateo koa ny eto », hoy izy. Nosoritany fa efa noeritreretiny ihany ny hanangana trano fiasana. Saingy ny toerana hanaovana izany no tsy misy.
Efa nanandrana niasa tany an-tranony izy, saingy vitsy ny olona nanatona azy tany raha miohatra amin'ny eo ankalamanjana eo. « Dia aleo mijanona eto, mitampify amin'ny toerana fanasana sary eto », hoy izy sady nihomehy.
Tia kitikitika
Ireny fakan-tsary efa simba ireny, vodi-kapoaka kely, labozia, paingotra, firaka..., izany no fitaovam-piasan-dRatiana. Tsotsotra ihany raha jerena, fa ahavitany ny asany tsara. « Fakan-tsary maro no efa nentiko teto amin-dRatiana namboariny fa vitany daholo », hoy i Hery, mpaka sary.
« Tsy nianatra ny fikirakirana fakan-tsary aho fa vokatry ny fitiavana sy ny fikitikitihana no tena nahaizako azy », hoy izy. Nosoritany anefa fa nianatra momba ny elektronika izy fahiny. Nomarihiny fa fahalalana fototra ihany izany, fa raha tsy nikirakira fakan-tsary izy tsy nahay.
« Efa nolalaoviko daholo na fakan-tsary argentique manuel, na argentique électronique na numérique. Misy ny vita eo no ho eo, fa misy ny mila itadiavana piesy ka miandry fotoana kely. Izany no ilanay an'ireny fakan-tsary efa simba ireny », hoy Ratiana.
Mpaka sary no asan-dRatiana taloha. Tia maka sary izy, raha ny filazany, ary izay no nahatonga azy nikitikitika fakan-tsary. Dia izao lasa mpanamboatra fitaovana izao no niafarany. Ary dia io no antom-pamelomany vady aman-janaka. Manomboka eo amin'ny 5 000 ariary ka hatramin'ny 80 000 ariary ny fanamboarana fakan-tsary, arakaraka ny simba.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Gazoala 1 060 litatra tratra. Naripaky ny mpangalatra ny gazoalan'ny orinasa Sogea izay manatanteraka asa any amin'iny faritra Atsimo-atsinanana iny. Nanao fitarainana tany amin'ny zandary tao an-toerana ireo tompon'andraikitry ny orinasa.
Kapiteny sandoka nanafika fiara. Notafihin'ny andian-jiolahy nanao fanamiana maitso toy ireny an'ny mpitandro ny filaminana ireny, ny 22 oktobra teo, ny fiara-na teratany vahiny iray monina eny Ankadikely-Ilafy. Teny Soamanandrariny no hita ilay fiara ny ampitso maraina.
Nangonin'i




Ankazomiriotra
Toaka gasy 425 litatra sarona
Nanaovan'ny zandary bemidina ireo mpanamboatra sy tompona toaka gasy. Ny 14 oktobra teo no nanaovany izany tao amin'ny fokontanin'Ankamory, kaominin'Ankazomiriotra, distrikan'i Mandoto. Nalaza ho mpanao izany mantsy ity toerana ity ary azo lazaina fa dia saika fitadiavam-bolan'ireo mponina ao an-toerana mihitsy izany famokarana toaka gasy izany.
Dia niharihary tokoa ny vokatra satria sarona tao avokoa, tamin'ny sava hao nataon'ireo zandary, na ny toaka gasy na ny mpanamboatra na ny tompony. Toaka gasy nahatratra 425 litatra no indray tratra tao an-toerana. Olona sivy ihany koa no tratra voalaza fa tompony sy mpanamboatra azy. Ny fitaovana fanamboarana azy moa dia sarona tao daholo ihany koa.




Vonoan'olona
Hotiliana ADN ilay Alemana nisy namono
Nakana santionany ary nentina any Alemana hotiliana ADN ny piti-drà hita tao amin'ny efitranon'ilay teratany alemà, Axel Andreas, nisy namono tapa-bolana lasa izay. Avy eo moa dia nariana sy nodorana tao anaty fanariam-pako teny Faravohitra ny fatiny. Ny hijery an'izay indrindra no anton-dian'ireo polisy alemà roalahy tonga teto Madagasikara, araka ny fanazavana nomen'ny talen'ny polisim-pirenena misahana ny raharaha heloka bevava ao Anosy, Rakotondravao Albert.
Iray andro monja taorian'ny nahafantarana fa fatin'ity mpiasan'ny banky ity no hita dia tonga ireo polisy alemà ireo. Nandeha nijery ny zava-nisy tany an-tranon'i Axel Andreas teny Faravohitra izy ireo ary naka santionany tamin'ny piti-dra hita tao an-tranony.
« Ny lafiny teknika no tena antony nahatongavan'izy ireo teto. Izany hoe ny hamantatra hoe tena i Axel tokoa ve io. Eo ihany koa ny hamaritra izay antony tena nahatonga ny vonoan'olona sao misy ifandraisany amin'ny lafiny politika. Nefa teto ihany izy ireo dia nahita tsara ny fivoaran'ny famotorana, izay nahatrarana an'ireo olona roalahy niaiky ny famonoan'ilay mpiambina azy. Dia afaka ahiahy ny amin'izany izy ireo », hoy ihany ity tompon'andraikitry ny polisy ity.
Nosoritany fa tsy naharitra ela fa ny talata 21 oktobra teo ihany dia lasa nody ireo polisy alemà ireo.




Vatomandry
Mitohy ny asan'ny hotely Zaza Robert
Na dia nisy aza ny famaizan'ny trano tao amin'ny hotely Zaza Robert any Vatomandry, ny 17 oktobra teo, dia mitohy toy ny andavanandro ihany ny asa ataon'izy ireo, dia ny fandraisana mpizaha tany sy mpitsangatsana, ny fanaovana fikaonan-doha, ny fety aman-danonana isan-karazany. Josiane Ramaherison, izay mpiara-miasa akaiky amin'ny tompon'ity hotely lehibe ity, no nanambara izany tamin'ny mpanao gazety, omaly maraina teny Ankaditoho.
« Tsy misy fiantraikany amin'ny fanohizan'ny asa ataon'ny hotely iny zava-niseho tao aminy iny », hoy izy. Nambarany mantsy fa tsy misy afa-tsy 10%-n'ny hotely ihany no potika tamin'iny haintrano iny. « Mbola manana faritra maro hanatanterahana asa tsara izahay. Maro ihany koa ireo "sites" any anaty ala izay azon'ny mpizaha tany sy ny mpitsangatsana ivahinianana tsara », hoy i Josiane Ramaherison.
Na ny mpiasan'ny Zaza Robert aza - satria notsindriany fa mamelona olona maro ny hotely - dia nambarany fa tokony atahotra amin'ny fanohizan'izy ireo ny asany.




Andranonahoatra-Itaosy
Nihotsaka ny sisin-dalana
Mihotsaka ny sisin-dalana eo Andranonahoatra. Hita ho mihamihitatra izany ka ahiana ho rava tanteraka raha tsy misy fanamboarana.
Tsy mbola tena milona tanteraka ao anatin'ny fahavaratra akory isika izao dia efa misy simba sahady ny arabe. Iray amin'ireny ny eny Andranonahoatra-Itaosy, eo amin'ny sampanan-dalana misy ny tetezana hihazo an'Ampitatafika. Nihotsaka sahady mantsy ny sisin-dalana amin'ilay làlana vita rari-vato izay namboarana tsara voa haingana.
Sisin-dalana sahabo eo amin'ny efa-metatra eo no indray lasa amin'izany. Tsy mbola mianjera fa efa mihataka amin'ny arabe niraiketany.
« Toa mihalasa hatrany izy io ary efa mila hianjera mihitsy », hoy ireo mponina eny amin'ny manodidina.
Be mampiasa
« Tamin'ilay oram-be voalohany, ny fiandohan'ny volana septambra teo, no nanomboka simba toy izao izy io », hoy ity raim-pianakaviana iray monina eo amin'ny manodidina an'ity toerana ity. « Kelikely ihany izy io no simba tamin'izany, nefa dia izao tonga lava be izao ».
Ireo mpamily fiara mpitatitra mampiasa iny làlana iny moa dia manambara fa « goavana ihany izao fahasimbany izao raha jerena. Raha io no tsy voavonjy dia ho potika mihitsy indray ity làlana ity satria ahiana ny fihotsahan'ireo " pavés " amin'ny arabe. Ny vesatry ny fiara anefa tsy maintsy hanindry azy eo ihany».
Nambaran'izy ireo mantsy fa efa misy zotra roa mampiasa an'io làlana io amin'izao fotoana izao. Ny 133 avy ao Analakely, mandalo an'Andranonahoatra ary mifarana ao Ambohimamory; sy ny zotra Kofimi alaina ao Ampantsakana mandalo an'Anosizato ary mifarana ao Andranonahoatra.
Efa anisany làlana be mpampiasa tokoa, araka izany, raha io làlana eo Andranonahoatra mihazo an'Ampitatafika io. Efa tanàna lehibe mantsy ny manodidina azy ka izay no mahatonga ny fisokafan'ireo zotra samihafa mamakivaky eo aminy.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Trano 155 kila forehitra. Tsy nisy niangana na dia iray aza, ny faran'ny herinandro teo, ireo tranon' olona tao amin'ny fokontanin'i Betsimiranjana, kaominin'i Marivorahona Ambilobe. Traboina avokoa, araka izany, ireo olona 1 300 tao. Afo vokatry ny doro tanety no voalaza fa nipoiran'ny loza. Efa tonga tany an-toerana ny tompon' andraikitra avy ao amin'ny Birao nasionaly momba ny fiahiana ny loza voajanahary na ny BNGRC.
Lehilahy voasoloky vola 45 000 ariary. Finday tsy izy no nandrebireben'ny mpisoloky iray an'ity lehilahy iray teny Ambodin'Isotry, ny herinandro teo. Natakalo izy io ka mbola nanindry vola 45 000 ariary ny lehilahy. Nony azo anefa ilay finday ka nosokafana ny fonony dia tapa-tsavony efa avy nampiasaina no tao anatiny. Very teo ny volabe. Nandeha ny fikarohana ka ny faran'ny herinandro teo vao hita ilay mpisoloky.
Volamena voaroba. Tokantrano iray teny Andrefan'Ambohijanahary, omaly maraina, no notafihin'ny jiolahy sivy nitam-piadiana ary samy nisaron-tava, ka lasany ny volamena amin'ny kilao tao an-trano. Tsy tao ny tompon-trano tamin'io fa lasa nivavaka. Mpiasa roa no novantanin'ireo jiolahy tao izay nofatorany daholo. Mponina teo amin'ny manodidina no nahatazana azy ireo ka nampandre ny polisy.
Omby miasa roa very. Manafika ao an-tampon-tanànan'Ankazobe mihitsy ny dahalo amin'izao fotoana izao. Omby miasan'olona roa tao an-tanàna no indray nanjavona tao am-bala, ny asabotsy alina teo. Efa nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary ao an-toerana.
Nangonin'i




Lazaina Avaradrano
Lehilahy tratra nanendaka
Ela nanaovana ka tratra ihany ny farany. Saron'ny fokonolona tamin'ny fotoana tsy nampoiziny tokoa, teny Lazaina Avaradrano, ny alarobia teo, ilay lehilahy kalaza amin'ny fanendahana amin'iny lalam-pirenena fahatelo iny.
Vao avy nanendaka bisikileta-na tovovavy iray mihitsy izy tamin'io fotoana io. Nirahin-dreniny handeha hividy zavatra teny an-tsenakely mantsy ilay tovovavy. Kanjo vao nivoaka ny trano izy dia ity jiolahy ity no nifanena taminy.
Norahonany ny antsy maranitra ilay tovovavy ary nanaovany amboletra ny bisikiletany. Vao lasa izy dia niantso vonjy tamin'ny fokonolona ity voaendaka. Poa toy izay ny firohotry ny fokonolona nanenjika.
Niezaka ny nandositra ihany ity mpanendaka, kanjo tsy lasa lavitra fa nandona olona tamin'ny bisikileta nangalariny. Niankarapoka teo izy ary dia noraisim-potsiny.
Fokonolona maro teny amin'iny faritra manodidina iny mihitsy, raha ny fanazavana azo, no efa voaendak'ity jiolahy ity. Tsy ny ankizy ihany fa hatramin'ny olon-dehibe ihany koa. Ny bisikileta mazàna no tena tiany.
Ny zoma teo moa izy no natolotra ny Fampanoavana tao Anosy ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Zara tsy matin'ny fokonolona teo am-pisamborana azy teo aza ity mpangalatra ity.




Mpivarotra amoron-dalana
Mitaintaina lalandava
Nandray fepetra henjana ny kaominin'Antananarivo. Henjehina ireo mpanome entana ny mpivarotra amoron-dàlana.
nofefena ny vavan'ireo mpiva-rotra amoron-dàlana teny amin'iny faritr'i Behoririka sy Analakely iny raha nanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny avy ao amin'ny fitantanan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra. Izany dia mandrara ireo magazay tsy hivarotra entana amin'ireo mpivarotra amoron-dàlana. Nambaran'izy ireo fa tsy mijery ny fiainan'izy ireo mihitsy ny ao amin'ny kaominin'Antananarivo, izay nilokalokan'ny ben'ny tanàna tamin'izy ireo tamin'ireny fotoana nanaovany fampielezan-kevitra ireny.
Tsy maharaka ny tsena
Nanazava mantsy ireto mpivarotra fa vola kely dia kely no mba azon'izy ireo amin'ireny varotra ataony ireny. Zara raha misy handoavana hofan-trano sy hampianaran-janaka ary hohanina. Raha mandeha aza ny tsena dia zara raha ahazoana izany rehetra izany indray mipoaka. Fa indraindray dia sakafo fotsiny no azo satria ny vava sy ny ankizy tsy mahalala ny tsy misy. Dia tsy maintsy mitady izay fomba rehetra ahazoam-bola.
« Sasatra mihitsy izahay miady amin'ny fivondronana. Ny entana potika, ny tena tsy milamin-tsaina », hoy i Pascal. Nosoritany fa mba farafaharatsiny ny ao amin'ny kaominina mahita toerana ametrahana ireo mpivarotra amoron-dalana vao naka iny fanapahan-kevitra iny.
Misy ny tsena, na tsena mahazatra izany na tsena isam-pokontany. Saingy notsindrian'ireo mpivarotra fa efa tsy ampy sy tsy mahararaka ny isan'ny mponina intsony izy ireny.
« Ny olona mitombo, ny asa koa tsy maharaka, satria betsaka ny mpitady, ny efa niasa aza namoy tsy fidiny ny asany noho ny fikatonan'ny orinasa sasany. Izany rehetra izany tokony ho jeren'ny fanjakana vao manapa-kevitra izy ireo », hoy i Lydia.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Kamiao nivadika teo afovoan'arabe. Nivadika teo afovoan'arabe teo amin'ny digue Andohatapenaka, omaly antoandro, rehefa avy nifatratra ka nanapaka andrin-jiron'ny Jirama, ilay kamiaon'ny orinasa Sogecoa eny Ivato. Niala fiarakaretsaka nanapaka tampoka ny mpamilin'ity kamiao ity izao niharan-doza izao. Naratra avokoa na ny mpamily na ilay Sinoa niaraka taminy.
Very ny papay iray koveta. Tsy nisy niangana na dia iray aza ny papay iray kovetan'ity renim-pianakaviana, handeha hamidy teo Behoririka. Nentin'ny hamaizany amin'ny fandosirana ireo mpiasan'ny kaominina izy ka nikoropaka. Tsy voarainy tsara ilay koveta dia nianjera tamin'ny tany. Ny olona rahateo nisomebiseby noho ny hamaroan'ireo mpivarotra amoron-dalana izay mifanaretsaka amin'ny mpandeha an-tongotra.
Lehilahy roa notifirin'ny zandary. Tsy fantatra izay zava-niseho tao amin'ny paositry ny zandary tao Beseva, Ambatoboeny, ny fiandohan'ny herinandro teo, fa nisy sivily roalahy handeha hiditra tao amin'ny birao no nitifirin'ireo zandary. Efa-dahy izy ireo, tsy nitondra afa-tsy tanampolo, no voalaza fa niditra tao
amin'ny birao. Saingy ny roa no lavon'ny bala. Nidina any an-toerana mihitsy ny tompon'andraikitry ny zandary avy any Mahajanga nanadihady ny zava-misy.
Nangonin'i




Toby Akamasoa
Mitaiza beantitra koa i Père Pedro
Mitombo hatrany ny olona karakarain'i mompera Pedro eny amin'ny tobiny Akamasoa, eny Ambohimahitsy. Tsy vitan'ireo olona mahantra sy nipetraka teny amoron-dalana intsony fa hatramin'ny beantitra tsy misy mpiahy ihany koa. Ny asabotsy teo no notokanana ny trano hitezana azy ireo.
Trano lehibe manara-penitra tokoa izy ity. Misy rihana iray, ary ahitana efitrano 13, efitra fatoriana folo, fisakafoana telo, ary lakozia iray. Beantitra 50 izy, raha mahatratra 600 any ireo karakarain'ny toby Akamasoa, no tezaina ao amin'ity trano ity, ary miandahy miambavy.
Mpiasa enina mianadahy izy no indray mikarakara azy ireo. Olona avy ao amin'ny toby Akamasoa ihany. « Tsy maintsy olona mahafoy tena, manana fandeferana, tsy mora kivy ary tsy mora taitra, hoy izy, no mikarakara azy ireo amin'izany. »
Ny Lyons Club avy any Kochersberg, Frantsa, izay mpanao asa soa, no nanohana ny toby Akamasoa tamin'ny fananganana trano ho an'ny beantitra izao. Vola mitentina 70 000 euros no natolotr'izy ireo tamin'izany. « Manampy ny hafa no tarigetranay, ary izany no antony nahatonga anay nanohana an'i mompera Pedro ».




Antananarivo
Mailo ireo mpivarotra
Efa samy mailo tamin'ilay didy navoakan'ny kaominina ireo mpivarotra amoron-dalana ka samy nitandrina. Niverina indray anefa izany.
Nilamindamina sy nangingina, omaly, indrindra fa tamin'ny maraina, ireo mpivarotra teto an-drenivohitra. Hita ho efa samy mailo tamin'ilay didy navoakan'ny kaominina tamin'iny faran'ny herinandro iny avokoa, toy ny fandrarana ny famoahana entana eny amin'ny arabe ho an'ireo magazay lehibe, sy ny fanomezan'izy ireny entana ho an'ireo mpivarotra amoron-dalana, avokoa ny rehetra.
Somary hentitra ihany mantsy, raha tsiahivina, iny didy navoakan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra iny satria tsy fampandrenesana toy ny mahazatra intsony fa fanomezana fe-potoana avy hatrany ao anatin'ny 24 ora ho an'ireo mpivarotra. Izany hoe ny ao ambadik'izay dia fanenjehana sy fampiharana ny lalàna avy hatrany.
Dia na ireo mpivarotra amoron-dalana aza, omaly, hita ho nangingina be ihany tsy toy ny mahazatra. Nijorojoro fotsiny teny amin'ny vodirindrina teny no nataon'izy ireo. Tsy dia sahy namelatra na nivimbina entana firy. Nisy ihany ny sahy mbola nanao toy ny fanaony andavanandro. Saingy vitsy.
Mbola fanairana
Toy izany koa no nataon'ireo magazay samihafa izay mamelatra ny entany eny amin'ny sisin-dalana. Vitsy koa sisa, indrindra ny teny Tsaralalàna, ny tompon'ny magazay sahy namoaka ny entany amin'ny sisin-dalana. Fa dia efa samy nanidy sy nampirina izany tao amin'ny magazainy avokoa.
Raha ny marina anefa dia ny maraina ihany izay filaminana izay no hita fa nanomboka tamin'ny 11 ora dia ireny ireo mpivarotra, indrindra fa ireo amoron-dalana, nipoitra tsikelikely ary niverina toy ny fanaony andavanandro, namelatra ny entany sy nitorovoka eny amin'ny sisin-dalana sy eny afovoan'arabe.
Nivezivezy ihany teny an-toerana, nanara-maso ny mpiasan'ny fivondronana, notarihin'ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny tsena eto an-drenivohitra, ny kaomisera Andriamampandritany Baritoa Sylvère, fa tsy nahoan'ireo mpivarotra. Nilaza anefa izy ireo fa mbola miteny sy manaitra azy rehetra ireo aloha no asa nampanaovina azy fa tsy ho ela ny hetsika handravana azy ireo.





Hetraketraka
Tsy faly ny mpitsara
Ny antontan-taratasy mikasika ny famotorana ilay teratany sinoa nihetraketraka nanakenda mpitsara iray tao amin'ny Fampanoavana ihany aloha hatramin' izao no efa tonga, natolotra ny Fampanoavana.
Ny alatsinainy teo ireo polisy misahana ny heloka bevava nanao ny fanadihadiana no nampita izany tamin'ny Fampanoavana. Ilay sinoa nihetraketraka kosa rehefa avy nohainoina dia nalefa nody.
Eo anatrehan'izay tarehin-javatra izay dia niombon'aina naneho ny tsy fahafaliany ny fianakaviam-ben'ny mpitsara. Nohanterin'ireo mpitsara tafaresaka tamin'ny mpanao gazety mantsy fa tsy misy mihitsy ny fiarovana ny ain'izy ireo manoloana ny didy izay havoakany.
« Ny olona rehetra mihitsy no tokony ho ao ambanin'ny lalàna na iza izy na iza, ary izay no tenin'ny minisitry ny Fitsarana, Bakolalao Ramanandraibe, raha namory anay mpiasan'ny Fitsarana rehetra izy. Nefa dia mampalahelo raha toa ka ny tratra ambodiomby manao heloka indray no avela ho afa-maina », hoy ihany ireo mpitsara naneho ny alahelony.
Notsindrian'izy ireo fa tsy tokony hasiana fanavahana ho an'ny vahiny na teratany ny fampiharana ny lalàna.
Marihina fa tompon'andraikitra iray eo anivon'ny famokarana simenitra eny Ambohimanambola no nahavita izany herisetra izany, ny zoma teo. Ny tsy fitanana am-ponja ny iray tamin'ireo olona telo nisoloky azy no nanaovany izany fihetsika izany.




Mpivarotra amoron-dalana
Hangataka ny hampihatra ny lalàna ny kaominina
Mbola nifanao fangalam-piery indray ireo mpia-san'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra amorondàlana, omaly. Mangorona ny entany dia mandositra ireo mpivarotra raha vao mahatazana ilay fiaran'ny Fivondronana, ary miverina mamelatra entana indray rehefa dify izy ireo.
Misy ihany ny fandraofana ny entan'ireo mpivarotra, fa tsy ahoan'izy ireo izany. Mamonjy miverina eo ihany izy rehefa lasa ireo mpiasa.
« Mbola milefitra aloha izahay fa tsy maintsy hisy ny fepetra henjana. Efa karazan'ny fandikan-dalàna mantsy no ataon'ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Hangataka amin'ny lehiben'ny Fampanoavana mihitsy izahay mba hampiharana ny lalàna amin'ny famerenan-keloka ataon'izy ireo », hoy ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny tsena eto an-drenivohitra, ny kaomisera Baritoa Sylvère Andriamampandritany.
Fandoavana lamandy foana hatramin'izay, na ilay antsoina hoe contravention no sazin'ireo mpivarotra tratra teny amin'ny biraon'ny kaominina teny Anosipatrana. Ka izay no tsy ahoan'izy ireo amin'io zavatra ataony io. Mivadika ho fandikan-dalàna anefa izany rehefa hita fa tratra manao izany foana ny mpivarotra iray.
Nosoritany fa hampiharana an'io lalàna io ihany koa ireo magazay lehibe tsy mety mampiditra ny entany izay eny ivelan'ny fivarotany.




Anosy
Hentitra ny fidirana ny lapan'ny Fitsarana
Noferana ny fivezivezena ao amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy hialana amin'ny mpisoloky isan-karazany. Miavaka hatramin'ny mpiasa sy ireo tomponandraikitra.
Tsy niandry ela, fa efa nipetrapetraka daholo ny lamina sy ny fepetra rehetra ary ny fandaminana ny fivezivezena ao amin'ny lapan'ny Fitsarana. Izany dia andro vitsy monja taorian'ny fihaonan'ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Bakolalao Ramanandraibe, tamin'ireo mpiasan'ny fitsarana rehetra tsy ankanavaka, tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy ny zoma lasa teo. Samy voakasik'izany avokoa, na ny mpiasa, na ireo olona manan-draharaha ao aminy.
Miavaka ny mpiasa
Ho an'ireo olona manan-draharaha ao amin'ity lapan'ny Fitsarana ity, indrindra fa ireo hiditra ao amin'ny biraon'ny Fampanoavana ao ambany rihana, dia napetraka ny sivana. Izany hoe tsy toy ny teo aloha, navela ivezivezen'ny olon-drehetra, fa noraràna tsy azon'ny olon-kafa idirana afa-tsy izay manan-draharaha hatao ao ihany, ny polisy sy ny zandary ary ny mpitory sy ny toriana.
Tsy afaka miditra any intsony ny mpanaraka.
« Olona iray avy ihany no azon' izy ireo entina miditra miaraka aminy », hoy ireo mpiasa miandraikitra ny fiambenana ny lalantsaran'ny Fampanoavana.Izay vahiny mitady olona ao amin'ny Fampanoavana moa, satria birao io ka tsy maintsy misy fandraisana olona, dia tsy maintsy mametraka kara-panondro sy mameno taratasy kely milaza ny laharan'ny birao idirany sy ny olona tadiaviny. Soniavin'izay olona nandray azy avy eo, ary averina eo amin'ny vavara-varana misy ireo mpiambina.
« Ato amin'ny Fampa-noavana ato mihitsy mantsy no tena misy an'ireo mpisoloky sy mpisandoka marobe satria ato no mandeha voalohany ny raharaha raha vao entin'ny polisy na ny zandary. Dia manararaotra ry zalahy », hoy ireo mpiasa ao amin'ity birao ity.
Ny an'ireo mpiasa moa dia tsy maintsy aranty amin'ny akanjo anaovany ny badge. Entitra mihitsy mantsy ny minisitra Bakolalao Ramanandraibe amin'izy io. « Mba ho fanavahana anareo indrindra manoloana an'ireo mpisoloky sy mpisandoka isan-karazany no antony tsy maintsy hitondrana an'ity badge ity. Tsy hita mihitsy mantsy ny hiarovana anareo raha tsy misy ny marika hamantarana anareo », hoy izy.
Nambarany mantsy fa betsaka mihitsy ny mpisoloky manararaotra ny fahasahiranan'ny olona mivezivezy ao amin'io lapan'ny Fitsarana io, ary efa maro ny tratra tamin'izany. Ka izay no antony nandraisan'ny minisitera fepetra amin'ity fametahana badge ity.
Na ny varavarana fidirana sy fivoahan'ny mpiasa aza natokana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Adala nikapa antsy ny fianakaviany. Ny rainy sy ny rahalahiny no indray nokapain'ity adala ny antsy tany Sarovoara, kaominina Antanandava ao anatin'ny distrikan'i Mandritsara, ny 24 oktobra lasa teo.`Naratra mafy avokoa izy ireo, saingy soa ihany tsy namoy ny ainy. Ny nahavariana dia lasa nitolo-batana tany amin'ny zandary izy rehefa avy namono an'ireto havany ireto.
Ankizy maty an-drano. Fahafatesana tampoka no hitan'ity zaza dimy taona eo tany Antonibe ao anatin'ny distrikan'Analalava, raha nilalao teo amoron-drano izy, ny 27 oktobra teo. Natelin'ny rano avy hatrany. Tsy mahay milomano rahateo izy ka dia dobo tao. Niezaka namonjy azy ihany ny manodidina fa tsy tratra ny ainy.
Fiara Land Rover niharan-doza. Nihemotra ilay fiara Land Rover ary nidona tamin'ny tetezan'i Kiranomena, any amin'iny faritr'i Tsiroanomandidy iny. Vokatry ny tsy fahatomombanan'ny teo amin'ny vitesse no nahatonga ny loza. Soa fa tsy nisy aina nafoy. Mpandeha 16 no tao anatiny, ka naratra avokoa ny valo, izay voatery nentina tany amin'ny hopitalin'i Tsiroanomandidy.
Nangonin'i




Andravoahangy
Rifatra nandositra ilay mpangala-jaza
Raha vantany vao niverin-dalana niantso ireo ray aman-dreniny ilay ankizilahikely, folo taona, dia napetrak'ilay tovolahy ilay zazavavy kely sahabo eo amin'ny dimy taona eo. Teny an-trotroiny saika hangalariny ity zaza ity. Iny izy nanao tongotra an-katoka ka rehefa tonga ny fokonolona avy eo hisambotra azy dia tsy nahatratra azy intsony.
Zanak'olona mpiray tampo tao Andravoahangy ambony tao ihany ireto zaza nokasain'ity tovolahy ity hangalarina ireto. Ankizy maromaro izy ireo no milalao eo an-tokotany. Nijorojoro, nitazana an'ireo ankizy teo izy tamin'io fotoana io, raha ny fanazavan'ireo fokonolona tao an-tanàna. Ary tsy tratra fa nobatainy sy notrotroiny ilay zazavavy kely dimy taona. Nahita an'iny ilay lahikely zokiny dia nanaraka azy avy tao aoriana.
« Fa ho aiza », hoy fotsiny ilay zokiny nanaraka an'ity tovolahy. Tsy miteny tsy mivolana io fa ny làlany ihany no nozoriny niaraka tamin'ilay zaza notrotroiny. Kanjo nony tena tafavoaka ny arabe, izay vao nikoropaka ilay zokiny niverin-dalana ary nitabataba niantso an'ireo ray aman-dreniny. Nahita an'iny ilay tovolahy dia vaky nandositra ary tsy tratra.
Efa hatry ny afak'omaly ity tovolahy ity, raha ny fanazavan'ireo mponina tao amin'ity tanàna ity, no efa nisodisody nijery an'ireo zaza nilalao tao an-tanàna. Dia mody nanontany ny hamaroan'ireo ankizy milalao eo. Hay teti-dratsy ny azy.




Toby Akamasoa
Vato boribory i Victorine Raharisoa
Niampy trano fitaizana ny beantitra tsy misy mpiahy ny toby Akamasoa. Lasa nanan-kavana ireo mitoka-monina.
Soa fa nisy ny trano fitaizana an'ireo beantitra eny amin'ny toby Akamasoa eny Ambohimahitsy. Noho io toby io dia nanan-kavana i Victorine Raharisoa, iray amin'ireo beantitra monina ao. Izy irery mantsy no misahana ny fiainany, raha ny fanazavany. « Tsy manana intsony aho na vady na zanaka fa efa maty daholo », hoy izy tamin'ny endrika feno tsiky. Misy zanany faravavy ihany any Fianarantsoa, raha ny fanazavany, saingy tsy miraharaha azy mihitsy. «Dia afoiko ohatran'ny maty», hoy izy tsy taitra.
Tsy ahitana soritra alahelo izany ny fiainan'i Vioctorine ao amin'ity toby ity fa dia hafaliana hatrany. Mihomehy foana izy. Tsy mahagaga ihany koa moa izany satria misy ireo olona mikarakara sy manampy azy be dia be, ary sady misangy no mananihany. Dia hadino ny adin-tsaina rehetra.
100 taona
100 taona i Victorine, raha ny fanazavany. «100 ny tena taonako fa i mopera no mananihany ahy hoe 200 taona», hoy izy sady nikakakaka (satria izay ilay fanomezana aina an'ireo beantitra tsy ho kivy amin'ny fiainana, araka ny fanazavan'i mopera Pédro azy). Izy no voalaza fa zokiny indrindra amin'ireo beantitra taizaina ao amin'ity toby ity. Raha ny fanazavan'ireo mpitaiza ao amin'ny toby dia efa 16 taona izao no nipetrahany tao amin'ny toby Akamasoa ao Andralanitra.
«Nivenjivenjy teny an-dalambe teny izy, tsy nisy nikarakara, no nisy naka ka nanatitra azy tany amin-dry Masera. Dia ry Masera indray avy eo no nanatitra azy tao amin'i mopera Pedro», hoy ity renim-pianakaviana iray anisany nandray sy nikarakara azy tany am-boalohany.
Mbola matanjaka tsara i Victorine, raha ny fijery azy. « Mbola mahavita mamaky teny tsy misy solomaso izy, mamaky baiboly na gazety», hoy i mopera Pedro.
« Mahita soratra tsara ny masoko », hoy koa i Victorine nanamafy.
Ny matory, mandihy, milalao katro, mihira ... izany no fanalan'andron'i Victorine ao amin'ny toby, raha ny fanazavany.
Avy any Vohipeno no fiavian'i Victorine Raharisoa raha ny fanazavany. Ary olona no nitondra azy niakatra teto an-drenivohitra.





Ankaramena
Olona iray maty navadiky ny fiara
Kamiao lehibe Mercedes iray, afak'omaly maraina, tokony ho tamin'ny iray ora sy sasany, no nivadika teo ampovoan'arabe. Tao Ifaha Ankaramena, distrikan'Ihosy izany no niseho. Izany hoe sivy kilometatra tsy hidirana an'Ihosy. Olona telo no tao anatiny. Namoy ny ainy teo no ho eo, voatsindry tao ambanin'ny fiara, ny mpanampy ny mpamily. Ny roa hafa kosa, ny mpamily sy mpanaraka kamiao, naratra mafy.
Raha ny vaovao azo tany an-toerana dia ny fahatapahan'ny « frein » tamin'ilay kamiao no nahatonga ny loza. Nidim-pidinana mantsy ilay fiara. Nisosososo fotsiny izy ary nivadika rehefa avy nidona tamin'ny vodi-tendrombohitra.
Feno entana ary navesatra dia navesatra ilay kamiao. Simentitra aman-taoniny niaraka tamina kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavan'andro no nentiny.
Tonga nijery ny fisehon-javatra tany an-toerana ny zandary. Ny razana kosa nalefa ao amin-dry Masera ao Tanambao Ankaramena miandry ny fianakaviany. Avy naka entana tao Fianarantsoa ary saika ho any Betroka ity kamiao ity.




Sakaraha
Afaka daholo ireo voampanga
Nohafahan'ny fitsarana madiodio avokoa ireo olona rehetra voampanga tamin'ilay raharaha fanafihana ka nahafaty ny zaodahin'i Ben Laden, Jamal Khalifa. Tany Sakameloka, faritr'i Sakaraha, ny 30 janoary 2007 izany no niseho. Nisy fito izy no indray voampanga tamin'ity raharaha ity. Anisan'izany ny filoham-pokontany tamin' izany fotoana izany. Afaka daholo izy rehetra ankehitriny.
Ny alatsinainy 27 oktobra teo ny raharaha no niakatra fitsarana tao Ihosy. Anisan'ny raharaha goavana nitranga tany an-toerana izy ity. Ary nahaliana ny maro ka saika feno ny efitrano fitsarana.
Raha tsiahivina, Saodianina telolahy izy no indray notafihin'ny jiolahy. Trano iray no nivahinianan'izy ireo tao Sakameloka. Ireo namany roalahy niray efitra fa i Jamal Khalifa kosa nandeha irery.
Jiolahy, tsy latsaka ny 20, no nanafika azy ireo tamin'izany. Raha ny fahitàna azy dia efa nahafantatra tsara ny toerana nisy ireto vahiny tao amin'ilay trano fatoriana izy ireo. Avy hatrany mantsy dia tao amin'ny efitrano nisy an'i Jamal Khalifa izy ireo no namantana.




Isoraka
Amboarina ny fasan-dRainiharo
Nodiovina ary asiam-panamboarana ny fasan-dRainiharo. Praiminisitra tamin'ny andron'ny mpanjaka Ranavalona voalohany izy.
Hanana endrika hafa kely ato ho ato ny fasan-dRainiharo eny Isoraka. Fasana manana ny anjara toerany eo amin'ny tantaran'i Madagasikara ary anisan'ny mahasarika mpizaha-tany ihany koa.
Mihetsika mikarakara ny fanarenana azy io ankehitriny ny eo anivon'ny minisiteran'ny Fizahan-tany, amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-paritry ny fizahan-tany eto Antananarivo, na Ortana (Office régional du tourisme d'Antananarivo). Efa misoratra ao anatin'ny fasana ny takelaka lehibe milaza ny fanarenana sy ireo tompon' andraikitra rehetra amin'ny fanatontosana izany.
Fizahan-tany
Ny vavahady lehibe amin'ny ilany atsinanana no namboarina voalohany, mba tsy hahafahan'ny olona mivezi-vezy sy miditra ao intsony. Vita tsara izany ankehitriny ka mikatona tsara.
Manaraka azy ny zari-daina sy lalana ivezivezena ao anatiny. Mbola ny amin'ny ilany avaratra andrefana, manoloana ny arabe ihany koa no vita hatramin'izao. Novolena bozaka sy zana-kazo ary voninkazo. An-dalam-panamboarana ny sisa. Efa maitso mavana, araka izany, ireo zava-maniry ao aminy, indrindra fa ireo bozaka nambolena.
« Efa ho iray volana izay no nanombohan'ny fanamboarana », hoy Rakotoarimanana, mpikarakara zaridaina voatendry hiasa ao amin'ity toerana ity. Nosoritany fa ny zaridaina ihany no anjarany ny mikarakara azy fa ny fanamboarana ny fasana sy izay manodidina rehetra, dia olon-kafa. Ny mpanao trano no misahana izany ary hanomboka tsy ho ela ihany koa.
Jean Laborde, ny taona 1835, no namboatra ity fasana ity. Fasana vita amin'ny vato izy ary manana endrika miavaka toa an'ireo fasan'ny olo-malaza tamin'izany fotoana izany. Praiminisitra tamin'ny andron' ny mpanjaka Ranavalona voalohany, sady vadin'ny mpanjaka ihany koa moa Rainiharo (1835-1852).





Taranaka tsy fidiny
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Fanontaniana sarotra ary tsy ho ahitam-baliny eo no ho eo. Ny mikasika ny Razan'ny Andriamanjaka fony faha « Gasy ny tany », araka ny fiteny. Mbola an'ny fianakaviany sy ny karazany ve izy ireny sa iombonana amin'ny firenena izay nametrahany Tantara ?
Tsy andriana (1) akory Rainiharo, na dia taranak'Andriampirokana, lehiben'ny Antehiroka nifehy an'Analamanga talohan'Andrianjaka aza. Saingy, nitondra ny raharaham-panjakana izy sy ny taranany, indrindra fa izy mirahalahy zanany, Rainivoninahitriniony sy Rainilaiarivony. Ity farany aza moa, ny Praiministra Rainilaiarivony (1864-1895), dia fantam-poko hitam-pirenena fa tena nifehy ny tany sy ny fanjakana nandritra ny telopolo taona mahery. Raha nalain-dry Gallieni ary ny Lapan'Andafiavaratra sy ny trano ary ny tany etsy Ambohitsorohitra, ny Praiministra ve no noverezim-pananana sa ny Fanjakana malagasy no nolovan'ny « administration coloniale » mpanjana-tany ?
Rehefa navela ho fieren-jiolahy sy fanaova-maloto ampolo-taona ny Fasan-dRainiharo, etsy Isotry, dia toa misy fiheverena hanadio ny kianja manodidina sy hamerina ny fasana amin'ny hajany. Milevina ao amin'io Fasan-dRainiharo io ny ankamaroan'ireo « Andafiavaratra » nifehy ny tany sy ny fanjakana tamin'ny an-droa-tokon'ny taonjato faha-19. Raha nikasa hanandratra ho « olo-masina » an'i Victoire Rasoamanarivo, izay vinanton-dRainilaiarivony, ny Fiangonana katolika, tamin'ireny fandalovan'i Joany Paoly II teto Madagasikara ireny, dia teny nierana tamin'ny solontenan'ny fianakaviana no namongarana ny razana tao amin'ny Fasan-dRainiharo ka nanaovana « famadihana » eny amin'ny fasana katolika.
Fony Gallieni namindra ny « Masina », fa izany no fomba fanonona ny razan'Andriamanjaka, avy eny amin'ny Rovan'Ambohimanga ho ao Anatirovan'Antananarivo, dia tian-kano tsy tian-kano ny mponin'Antananarivo sy ny vahoakan'Imerina. Ny Mpanjaka Ranavalona III nalefa sesi-tany, ny Fiandrianana nofoanana, Andrianampoinimerina sy Ranavalona Reniny naronjin-doha : raharaha tokoa no nihatra tamin'iny tapa-bolan'ny (28 febroary - 14 marsa) taona 1897 iny.
Isika moa vahoaka mahay manamboatra saina ka dia hoe « miova sata fa niova andriana ». Saingy ratra tsy vita holatra teo amin'ny Tantaram-pirenena raha ny famingavingana an'Andrianampoinimerina, ilay Andriana fototry ny rehareham-pirenena ka nahatonga ny Fanjakana malagasy tafiditra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena hatramin'ny 23 oktobra 1817. Ny hoe « miamboho » mba ilazana hoe maty, ny hoe « afenina » ilazana ny fandevenana, ny hoe « Masina » anondroana ny razan'ny Andriana, dia mari-panajana nomen'ny vahoaka ny Andriamanjaka. Mbola mari-panajana tahaka izany koa ny fomba manokana tsy hanaovana « famadihana » ny « Masina ».
Tsy misy firenena vanona raha tsy manan-Tantara. Tsy fomba eto Imerina ihany ireo tanisaina ireo saingy samy manana ny fombany ny isam-poko. Samy nalahelo ny firenena raha nirehitra ny Rova tamin'ny 1995 saingy tsiny ve raha mahatsiaro tena ho tompony kokoa ireo taranaka manana razambe nafenina isaky ny Fitomiandalana ? Tsy rehareha fahatany fa Tantara sy fihavanana ny an'ireo taranaka. Roanjato taona aty aorian'ny niambohon'Andrianampoinimerina, raha raharaha Anatirova, hatraiza ny raharaham-pianakaviana ary aiza ny lanonam-panjakana ?
(1) Misy antony lehibe ny "reni-soratra" sy ny "zana-tsoratra" : ny "Andriana" reni-soratra dia ny Andriamanjaka ; ny "andriana" zana-tsoratra dia ireo havanandriana isan-tsokajiny, izay mitambotsitra ho "folovohitra" rehefa feno ny taranaka fahafito.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zandary voaharom-paosy. Tratry ny zandary teny amin'iny faritr'Ambodin'Isotry iny ihany ilay lehilahy kalaza amin'ny fanaovana harom-paosy sy sinto-mahery. Ankoatra an'ireo olona maro efa voany dia zandary amperin'asa iray ihany koa no efa tratran'izany asa ratsin'ity lehilahy ity izany. Nisy ihany koa renim-pianakaviana iray izay nahazoany finday sy vola aman'hetsiny ary kojakoja sy fitafiam-behivavy maro.
Nangonin'i




Mpivady novonoina
Ahiahiana ny zanaka vavin'ireo dokotera
Anio, raha tsy misy ny fiovana, no atolotra ny Fampanoavana, ny zanaka vavin'ireo mpitsabo mivady maty nisy namono teny Mahamasina, ny fiandohan'ny volana septambra teo. Ahiana ho nahavanon-doza tamin' izany mantsy ity zanany vavy ity, izay marihina ihany koa fa dokotera. Niara-niombona tetika taminy tamin'izany famonoana izany ihany koa ny sakaizany. Indray nanjavona tsy hita izy roa ireto iray andro taorian'ny nahafatesan'ireo ray aman-dreniny.
Samy voatazon'ny polisy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava izy ireo amin'izao fotoana izao. Voalaza fa niaiky tanteraka ny habibiana nataony izy roa. Nisy ny famerenana teny Mahamasina ny zava-niseho rehetra nandritra izany fotoana izany ny zoma antoandro teo, ary nipetrapetraka, araka izay notantarainy avokoa ny fandehan'ny raharaha rehetra.
Ny alakamisy teo izy ireo no noraisin'ny polisy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava eny Anosy, satria re fa avy tany Mananjary izy ireo no nakarina teto an-drenivohitra.
Ny zoma tolakandro ihany anefa dia nentina niverina tany indray, taorian'ny famerenana ny zava-niseho teny Mahamasina, naka ireo antontan-taratasy sy zavatr'olona navelany tany. Ary ny asabotsy vao tafaverina.
Vita avokoa ny fanadihadiana nataon'ny polisy azy ireo ary dia izao izy atolotra ny Fampanoavana izao.




Finoana
105 taona ny MKPMM Ankadilalana
Maro ireo vakoka mbola voatahiry ao amin'ny fiangonana MKPMM ao Ankadilalana. Ela nijoroana mantsy ity fiangonana ity.
Tsy ireo fiangonana ao anatin'ny FFKM irery ihany akory no mahatratra ny 100 taona nijoroany, fa misy ihany koa ny fiangonana tsy miankina toa ny Misiona kristiana protestanta malagasy mahaleotena (MKPMM), izay miorona ao Ankadilalana. Nahatratra ny faha-105 taonany (1903-2008) izy ankehitriny.
Araka ny fanazavan' ny pastora Randrianera Jean Théodore, mpitandrina ao aminy, dia Rainiketamanga no nanangana an'ity trano fiangonana ity.
Nisy disadisa
Mpivavaka tao amin'ny fiangonana LMS tao Ambava-hadimitafo Rainiketamanga, ary nofidian'ny misionera ho mpitandrina. Nanana disadisa teo amin'ireo misionera nitondra fivavahana izy tamin' izany fotoana izany ka nanapa-kevitra ny hanangana trano fivavahana tamin'ny fotokevitra hoe « Andriamanitra iray ihany ».
Fiangonana mahaleotena no naoriny tamin'izany ary dia io izy mbola mitana izany mandrak'ankehitriny. Trano zozoro no niandohany, niova ho rindrin-tany taty aoriana ary nofonosina biriky tanimanga indray taty aoriana ary izay no mbola endriny mandrak'androany.
Anisan'ny trano mitahiry vakoka ity trano fiangonana ity. Mbola hita ao daholo ny seza sy harimonia ary ny arofanin'ny alitara hatramin'ny gorodona tamin'izany fotoana niorenany izany.
Fihetsiketsehana isan-karazany no entin'ireo mpivavaka ao aminy manamarika izany fotoan-dehibe izany, izay hanomboka ny 8 sy 9 novambra ho avy izao.





Mahamasina
Tezitra ireo fianakavian'ny maty
« Tsy miraharaha azy intsony izahay, izay manjo azy any manjo azy. Vitan'iny tovolahy iny izy... ». Izay no teny naloaky ny fianakavian'ireo dokotera mivady novonoina ny 18 septambra teo tamin'ny fomba feno habibiana, teny Mahamasina atsimo, niaraka tamin'ny mpanampiny, raha niakatra teny anivon'ny Fampanoavana omaly ity raharaha ity.
Araka ny efa nambara teto mantsy dia tsy hafa ny olona voarohirohy ho nahavanon-doza tamin'ity raharaha ity, fa ny zanak'ireto dokotera ireto faravavy ihany. Izy sy ny sakaizany, raha ny fanazavana nomen'ny talen'ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava ao Anosy, Rakotondravao Albert, no tompon'antoka tamin'iny raharaha iny. Niaiky izany izy ireo, ary nitantara tamin'ny atsipirihany ny fomba namonoana azy telo mianaka.
Nisafoakan'ny hatezerana noho izany ireo fianakavian'ity zazavavy ity. Na ny olon-tsotra aza moa mba zendana sy sendaotra ihany koa nieritreritra ny zava-doza vitany, satria nahaliana ny maro fatratra iny « tantara ratsy » iny.




Analakely
Main'ny afon-dabozia ilay tsena kely iray
Tsena kely fivarotana an'ireny entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro ireny no nodedahan'ny afo teny Analakely, omaly maraina tokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany teo. Avy tao amin'ny tafo no nipoiran'ny afo, raha ny fanazavan'ireo mpivarotra teo amin'ny manodidina. Ary soa ihany fa nalaky voavonjy, ka tsy dia nisy fihitarany na fahasimbana goavana.
Afon-dabozia narehitra tao amin'ny rihana ambany tafo no nambaran'ireo mpivarotra fa fototra nipoirany. Lehilahy mpivarotra iray tao amin'io tsena io no nitondra izany tao amin'io rihana io. Nataony fitoeran'entana mantsy tao, ka noho ny hamaizinan'ilay toerana dia jiron-dabozia no nentiny nanazavana azy. Kanjo, asa izay zava-niseho sy nahavariana an'ity mpivarotra ity, fa nahazo ny zavatra mora mirehitra tao ambany tafo tao ilay jiron-dabozia, ary dia nirehitra ny trano.
Ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna no tonga teny an-toerana namono ny afo.
Naratra noho ny fitsambikinany avy teny amin'ny tafo moa ilay mpivarotra, ka voatery nentina tany amin'ny hopitaly.




Analalava
Nendram-boalavo no miverina
Aretina efa resin'ny vakisiny ity valan'aretina miseho any Analalava ity. Nendram-boalavo no anarany ary tsy misy atahorana izy.
Irony valan'aretina antsoina hoe nendram-boalavo irony no mahavoa ny mponina any amin'iny distrikan'Analalava iny, ao anatin'ny faritr'i Sofia amin'izao fotoana izao. Izany hoe ao amin'ny fokontanin'Agnataka, kaominin'Antonibe. Ny talem-paritry ny fahasalamana sy ny raharaha sosialy amin'iny faritra iny, ny dokotera Randrianavelo, no nanambara izany omaly, tamin'ny resaka nifanaovana taminy. « Izay no tatitra nataon'ireo ekipa manokana, nalefa tany an-toerana hijery akaiky an'ity aretina hafahafa mahazo ny mponina any an-toerana ity », hoy izy.
Mibontsimbontsina kely, miloko mena, toy ireny kitrotro ireny, ny fisehon'ity aretina ity eo amin'ny vatana. Mangidihidy izy ary mandranoka, nefa maina ho azy eo rehefa afaka telo na efatra andro. Tsy misy atahorana, araka izany izy, satria sady tsy mitarika hafanana be no tsy misy fiantraikany eo amin'ny maso sy ny tenda na ny vatana. Matanjaka tsara ny olona voan'ity aretina nendram-boalavo ity. Ny lehibe mahavita raharaha, ny ankizy afaka milalao.
Efa nisy ela be
Ny toetr'andro mafana sy manorana toy izao no voalaza fa fisehon'ny nendram-boalavo. Aretina efa nisy ela be teto Madagasikara izy ity, tany amin'ny andron'ny repoblika voalohany tany, raha ny fanazavana nomen'ny talem-paritry ny fahasalamana, Randrianavelo. Nafotaka ny fiadina taminy tamin'ny alalan'ny fanaovana vakisiny. Lefy tsy nisy firy intsony izy taorian'izay, ary dia izao nipoitra izao indray.
Areti-mifindra izy io ary noho izay fifindrany izay dia voatery najanona tsy mianatra aloha mandritra ny 15 andro, ny ankizy tao amin'ity fokontany voan'ny nendram-boalavo ity
Nosoritan'ity tompon'andraikitra ity fa mpiasan'ny fahasalamana fito mianadahy avy hatrany no nalefany tany an-toerana, niaraka amin'ny fanafody isan-karazany, raha vantany vao naharay tatitra avy tamin'ny ben'ny tanàna sy ny zandary izy, ny zoma 31 oktobra teo. Omaly maraina dia nisy ekipa 12 mianadahy hafa indray niverina any an-toerana nitsabo ireo marary sy nitondra vakisiny amin'ny aretina rehetra.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpilalao baolina namoy ny ainy. Omaly no namoy ny ainy ilay lehilahy mpilalao baolina lavalava voadona teny ambony kianja, teny Anosizato, ny alahady tolakandro teo. Tsy tana ny ainy na dia niezaka nanao izay ho afany aza ny mpitsabo tao amin'ny hopitaly HJRA. Ny lohany mantsy no voadona mafy ka torana tsy nahatsiaro tena teny ambony kianja ny lehilahy. Ary izao namoy ny ainy izao rehefa nialana nenina notsaboina nandritra ny roa andro.
Dahalo roa matin'ny zandary. Dahalo avy nanafika valan'ombin'olona tao Andoharano Andingoza, kaominin'Ambinany, distrikan'i Sakaraha, no nifanehatra tamin'ny zandary tao amin'iny faritra iny, ny 28 oktobra lasa teo. Omby mahatratra 90 no indray noroahin'izy ireo tamin'izany. 13 lahy ireo dahalo ary nirongo basy ka tsy voatohitr'ireo mpiandry vala.
Lehilahy maty teo amoron-dalana. Tsy nahitana ratra na faritra mangana ilay lehilahy hitan'ny fokonolona nitsirara, omaly maraina. Mpatory an-dalana ary mpikarama mibata entana izy, araka ireo olona manodidina.
Nangonin'i




Fitsarana-Anosy
Olona roa tratra nisoloky
Lehilahy mpanera tao amin'ny fitsarana sy vehivavy iray nisandoka ho mpitsara, no saron'ny « brigade spé-ciale »-n'ny zandarimaria, ny fiandohan'ny herinandro teo. Mompera sy olona iray nanan-draharaha tao amin'ny fitsarana no voafitak'izy ireo, ka velon-taraina tany amin'ny zandary.
Raharaha-na ady tany no nisolokian'izy ireo tamin'ity mpitondra fivavahana. Ilay lehilahy no milaza ho maha-fantatra mpitsara ary ity vehivavy kosa no mitonona ho mpitsara mpikarakara ny ady tany. Dia voajokon'ireto mpisoloky ireto ilay mompera ka nitakiany vola be.
Marihina anefa, araka ny fanazavana nampitain'ny tao amin'ny zandarimaria, fa zaodahin'ity mompera ity ihany ilay lehilahy nisoloky azy. Izy indray avy eo no nitady olona hiaraka hanao ny raharaha maloto taminy, dia ilay mpitsara sandoka.
Teo am-pisamborana azy aza dia voalaza fa mbola nampiasa taratasy hosoka ihany izy ireo. Taratasy milaza fa marary eny amin'ny hopitaly miaramila eny Soavinandriana izy ireo.
Efa natolotra ny Fampa-noavana izy ireo ny 29 oktobra teo ary notanana vonjimaika eny Antanimora.




Sainte-Marie
Vazaha natelin'ny ranomasina
Tsy hita popoka hatramin'izao ilay vazaha lahy iray natelin'ny ranomasina ny asabotsy teo, tany amin'ny morontsirak'i Sainte-Marie. Handeha hanjono, araka ny komandin'ny Hery an-dranomasina malagasy, no anton-dian'ity teratany vahiny ity. Lakana voizina no nandeha-nany, ary izy irery no nivoy azy, tsy nitondra namana.
Voalaza fa sady tsy mahay mitondra lakana izy no tsy mahay milomano koa. Ary tsy vitan'izany, fa mbola mataho-drano. Tsy fantatra anefa izay nahatonga azy handeha irery. Tsy lasa lavitra akory anefa izy, tamin'io fotoana io, dia nanjavona tsy hita.
Raha vantany vao niseho ny loza, dia efa nihetsika nanao ny fikarohana tamin'ny zodiacs-n'ny tafika an-dranomasina tany an-toerana. Tsy nahitam-bokany anefa izany, ary mbola nitohy omaly ny fikarohana.




Vonoan'olona
Enina mianadahy voaheloka ho faty
Nohelohin'ny fitsarana ho faty ireo enina mianadahy naka an-keriny sy namono nahafaty zazalahikely 13 taona teny Andranomanalina.
«Afa-po tan-teraka tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana izahay. Ny maty tsy miverina intsony fa rehefa nahazo sazy fanamelohana ho faty ireo nahavanon-doza dia ampy ho anay izay. Aina solon'ny aina tokoa ary ny Fitsarana no nandidy fa tsy izahay.» Izay sisa no tenin'ireo ray aman-drenin'ilay zazalahikely, Ratoby Andrianarilanto Andoniaina, 13 taona, nalain' ireo tsy matahotody an-keriny ary novonoiny tamin'ny fomba feno habibiana, ny 30 oktobra 1995.
13 taona aty aoriana mantsy vao nandeha fitsarana ity raharaha ity, ary sazy faran'izay henjana avy hatrany no nampiharin'ny fitsarana heloka bevava tamin'ireo voampanga enina mianadahy (vehivavy ny iray) tamin'izany. Sazy fanamelohana ho faty. Mbola arahina fandoavana onitra mitentina 16 tapitrisa ariary io sazy io. Izany hoe ilay lelavola notakian'izy ireo tamin'ny ray aman-drenin'io zaza io ho takalon'ny ainy, no nandidian'ny fitsarana azy koa ho efainy amin'ny ray aman-drenin'ilay zaza.
Telo ambin'ny folo taona lasa
« 13 taona no nandeha fitsarana ny raharaha. 13 taona anio 5 novambra ihany koa anefa ny nitsingerenan'ny daty nahitana ny fatin'ny zanakay », hoy ny renin'i Andoniaina. Teny amin'iny faritr'Ambatobe iny mantsy no nahitana ny razana tamin'io daty io. Razana izay efa simba tanteraka satria tsy vitan'ny nalatsak'aina fotsiny fa notetitetehina mihitsy. Ny lohany nokapaina ary naolana, ny nifiny nongotana, ny vatany mangan'ny vono... ary vatana tsy nisy ratsana ambony no sisa hita. « Hatramin'izao aza ny tanan'ny zanakay tsy hita mihitsy », hoy ny rain'ity zaza ity. « Tsy hita hoeritreretina intsony ny zava-nanjo anay tamin'izany fotoana izany no sady torovan'ny tebiteby sy ny ahiahy foana isaky ny mivoaka ny trano », hoy ihany izy.
Tany am-pianarana ity zaza ity no nalaina an-keriny, ny 30 oktobra ary nampijaliana tanteraka. Dia novonoina avy eo ary nariana teny Ambatobe ny fatiny.
Olona fito izy ireo no indray voampanga tamin'izao raharaha izao. Saingy iray tamin'ireo ihany no nijoro teo anoloan'ny fitsarana, dia ny rain'ilay zaza nokaramaina 100 ariary, nampitondrain'ireo jiolahy taratasy. Sazy roa taona an-tranomaizina kosa no nampiharin'ny fitsarana taminy. Ny sisa rehetra namoahana didy fampisam-borana avy hatrany. Marihina fa ny sakaizan'ny zandrin'ny renin'ity zaza novonoina ity no voalaza fa tena atidohan'ny tetika maizana rehetra, noho ny fialonany an'ilay zaza.




Tantara anakandriamaso
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
6 novambra 1995 - 6 novambra 2008 : tsy fahatsiarovana zary fahatsiarovana fotsiny ihany fa, arak'ireny « Tabataban'ny Fahanginana » niarahana hatrizay teo Andohalo ireny, di-doha mba tsy hanadinoana mandrakizay. Sanatria sanatria tsy hanindroa izay nahalevona ny Rova.
Ny nahamay ny Rova no zary vay an-kandrina tsy takona afenina saingy tsy mitsaha-mitombo ny kitoatoa mahavery tadidy ny firenena ka atahorana hahavoa tamberintany ny taranaka fara aman-dimby.
Iniana tanisaina etoana mba hitamberina ho raiki-tampisaka. Zavatra iray ihany mantsy ny nahasahian'ny sasany nandoro na ny Lapan'Andafiavaratra (1976) na ny Rovan'Antananarivo (1995). Tsy afa-misaraka amin'ireny koa ny faharavan'ny Trano Gasy miavaka
toa ny tranon-dRainimboay tetsy Ankadifotsy-Ambatomitsangana na ireo Trano Gasy miavaka ravarava fahatany na dia hoe tsy adala avokoa aza ny olona fa ny ondrakondrafana tokoa angamba no betsaka. Tsy maintsy tanisaina miaraka aminy ihany koa ny fanotofana sesilany ilay lemak'i Betsimitatatra sompitr'Imerina. Tsy azo hodian-tsy hita ny fahasimban'ny « Archives » na ny fahaverezan'ny tahiry an-tsarimihetsika.
Avereno vakiana ny fitantarana an'Antananarivo fahizay dia banjino ilay Renivohitra iainana isan'andro ankehitriny. Ilay Vohitra fahiny niavaka avy hatrany ny maha-Merina azy, ilay Tanàna ankehitriny mampitovy endrika amin'ny tanàna any Andafy any. Ny « Trano Gasy », nampivadiana ny mari-tranon'i Besakana sy ny rihana ary ny lavarangana manodidina, no isan'ny nampiavaka indrindra ilay Antananarivo tamin'ny « Tany Gasy ». Renivohitra mierina ambony havoana, nosy vatolampy afovoan'ny rano sy varin'i Betsimitatatra. Antananarivo, ny Rova, ny Tsena Anjoma, ny tanimbarin'i Betsimitatatra, ny Trano Gasy, ny Fiangonana Tranovato tsangambato. Tsy Paris, tsy New York, tsy London, tsy Berlin, tsy Roma. Tsy vohitra notefitefen'ny mpanjana-tany vazaha, tsy manaraka ny « urbanisme » tandrefana, lalan-kely miholinkolika fa tsy arabe tora-tady.
Hoy Rabearivelo, « Iarivo, Iarivo, na milapatra eo amin'ny ahitra milenoky ny tanimbary, na monin-drery toy ny raiketra eny amin'ny vatolampy ». Izany no Analamangan'Andriampirokana, Antananarivon'Andrianjaka, trafo mitondra ny Fitomiandalan'Andriamasinavalona. Isaky ny mahatsiahy ny nahamay ny Rova aho dia velona ahiahy amin'ny fahaverezan'ny endriky ny tanànako : naleoko ihany ilay Zoma nahasarika an'izao tontolo izao toy izay itony tsena tselika mameno làlana itony ; aleoko foana hatrany ny Trano Gasy mibahana ny vohitra dia ery ambany atsimo ny rindrimbe miezinezina fivarotan'ny Karana, tsenan'ny Sinoa, biraom-Bazaha ; alaheloko mandrakizay ny tanimbary natakalo ireny « faritra iva » dibo-trano sy tra-boina fahavaratra ireny.
Raha manomboka miarina Manjakamiadana ankehitriny, aoka tsy ho tampimaso. Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa, Masoandro, Tsarahafatra, ary indrindra ny Fitomiandalana sy ny Fasan-dRadama Rainy (izay namindran'i Gallieni an'Andrianampoinimerina taty aoriana) ary ny an-dRasoherina (namindrana an-dRanavalona Reniny, Ranavalona II ary Ranavalona III) : izany no maha Rova ny Rova. Ny andron'ny 6 novambra mba ho andro hanaovana anakandriamaso ny tsangambaton'ny Tantara na ao Anatirova, na eto Antananarivo sy Imerina, na isam-poko isam-pirenena.




Masoivoho Libiana
Nisy vehivavy tamin'ireo nanafika
Mbola mandeha amin'izao fotoana izao ny fikarohana ireo andian-jiolahy nanafika ny masoivoho Libiana teny Ampandrana, ny volana aogositra lasa teo. Tsy mbola misy tratra hatramin'izao.
Ankoatran'ireo andian-jiolahy niditra an-keriny tao amin'ity masoivoho ity, namatotra ireo miaramila mpiambina sy nandroba entana, fantatra izao fa nisy vehivavy iray niray tsikombakomba taminy. Hanitra no anarany ary karohin'ny polisy izy.
Mipetaka manerana ny biraon'ireo polisy ny sarin'ity vehivavy ity. Izy mantsy, raha ny fanazavana azo, no mody nandrebireby ireo miaramila niambina. Izany hoe nanao izay hatafidirany tao amin'ny tranon'ity masoivoho ity. Minitra vitsy monja taorian'ny nidirany tao no nibosesika ireo jiolahy. Dia iny ihany koa izy niporitsaka niaraka tamin'ireo jiolahy nony vita ny fanafihana. Marihina fa tsy sary tena izy ny sary tapaka miely ao amin'ny biraon'ny polisy fa sary natao tamin'ny teknolojia avo lenta (portrait robot) maneho ny toetr'endriny.




Polisy
Arahi-maso ny famonjena asa
Na dia ny mpitandro filaminana aza dia tsy maintsy manara-dalàna amin'ny famonjena asa. Mihatra avy hatrany ny sazy ho an'izay mandika izany.
Mametraka ny fitsipi-pifehezany amin'izao fotoana ny minisitera isan-tokony. Manaraka akaiky ny fomba fidirana sy fivoahan'ny mpiasa.
Anisan'ny mampihatra izany koa ny eo anivon'ny polisim-pirenena, raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-misy hita ao amin'ny sampana iray misahana ny raharaha heloka bevava ao Anosy.
Mameno kahie
Isa-maraina, isaky ny « section » tsirairay avy, dia misy kahie lehibe iray mipetraka fenoin'ireo polisy. Hita ao ny daty, ny ora nidirana ny birao, ny antony raha toa ka nisy fahataràna na tsy fahatongavana, ny ora nivoahana. Dia tsy maintsy soniavin' ny lehiben'ny « section » tsirairay izany ary akarina any amin'ny sefo sy ny talen'ny sampan-draharaha mihitsy arahi-maso.
« Fitsipika efa nipetraka hatramin'izay io. Saingy nivahavaha ny fanatanterahana azy tato ho ato.Dia naverina nampahatsiahivina ny mpiasa indray, ary izao tanterahina izao », hoy ny lehiben'ny « police judiciaire », ny kaomisera Ratovondravola Don Donné. Nosoritany tamin'izany fa misy mihitsy ny sazy mihatra ho an'izay tsy manaraka fitsipika. Manomboka any amin'ny fampitandremana ka hatrany amin'ny famindran-toerana mihitsy. Ny fahataràna in-telo misesy tsy mazava ny antony dia ahazoana sazy, raha ny fanazavany.
« Tsy mba toy ny mpiasam- panjakana ny anay ny fidirana ny birao, fa miditra amin'ny 8 ora, mirava amin'ny 12 ora, miditra indray amin'ny 2 ora ary mirava amin'ny 6 ora hariva. Indraindray anefa izay fidirana sy fivoahana izay, noho ny asanay, dia tsy voafetra rehefa misy ny asa ho an'izay voakasik'izany », hoy ihany izy nanampy.
Nosoritany fa na dia fomba fitafy aza, mba ho fanomezana hasina ny polisim-pirenena, dia tsy maintsy nandraisana fepetra manokana. Anjaran'ny tsirairay ny mikarakara ny fitafiana anaovany raha toa ka misy ny fivoahana tampoka any ivelany.





Baisse du taux d'intérêt
Des banques traînent les pieds
Les banques feront-elles, cette fois-ci, la sourde oreille ? La récente décision de la Bank of Mauritius (BoM) de réduire simultanément son taux d'intérêt directeur et son Cash Reserve Ratio (CRR) devrait avoir des répercussions tangibles sur les taux d'intérêt. Les taux à l'épargne comme à l'emprunt des banques commerciales, devraient normalement être révisés de façon intégrale à la baisse. Mais il est probable que la réalité soit tout autre.
Pour doper la croissance et réduire les incidences de la crise financière internationale sur l'économie, le taux d'intérêt directeur de la BoM - repo rate - a baissé vendredi de 50 points de base, se retrouvant à 7,75 %. Le CRR - pourcentage des dépôts effectués par les clients, que les banques commerciales sont tenues par la loi, de garder auprès de la Banque centrale sans rémunération - est, lui, passé de 6 % à 5 %. Mais la manière dont les banques commerciales répercuteront ces baisses aux entreprises et aux ménages reste à voir.
La Mauritius Bankers' Association (MBA), a, dans un communiqué lundi, tenu à rassurer les clients et actionnaires des banques, que ces dernières suivront la tendance baissière. D'ailleurs, certaines ont commencé, dès hier, à réviser leurs taux à la baisse.
Ainsi, Afrasia Bank Limited a diminué ses deux taux - à l'épargne (savings rate) et à l'emprunt (prime lending rate) de 0,50 %. Idem pour la Mauritius Commercial Bank et Bank One qui ont répercuté dans son intégralité, la baisse du repo rate sur les taux à l'épargne et à l'emprunt, à leurs clients. Raj Dussoye, CEO de Bank One, commente cette décision. « Bank One, comme d'habitude, a suivi la tendance du marché, en diminuant de 0,50 % ses taux d'intérêt à l'emprunt comme à l'épargne ».
Mais si la MBA promet que ses membres en général feront profiter ménages et entreprises de la baisse récente du repo rate, rien n'indique s'il en sera de même pour la baisse du CRR. De toute façon, il faudra attendre le vendredi 7 novembre (date à laquelle la baisse du CRR entrera en vigueur) pour savoir si réellement la diminution du Cash Reserve Ratio profitera aux clients des banques de la place.
Toutefois sans attendre cette date, la Hongkong and Shanghai Banking Corporation Limited (HSBC) donne une leçon de transparence et de bonne foi. Le comité de la banque s'est réuni lundi pour déterminer sa position sur les taux d'intérêt.
Nico Panou
© La Sentinelle





Andriamanitra tsy misy
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Tsy Andriamanitra ho'aho Obama. Tsy misy Andriamanitra izany mihitsy, na Fotsy, na Mainty. Na Bouddha, na Jesosy, na Mahometa. Na Raminia, na Ralambo na Nampoina. Koa maninona loatra ary ny olona no mino zavatra tsy hainy, tsy hitany, tsy iainany ?
Mbola tsy ampy roa taona aho tamin'ny rotaka 1972. Tsy nandady teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aho. Feno roapola taona aho tamin'ny rotaka 1991 : tsy nilahadahatra teny ihany koa aho. Nihoatra ny telopolo taona aho tamin'ny 2002, tsy mba nino
fotsiny ihany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Be Andriamanitra ivavahana loatra mantsy eo amin'io kianjan'ny 13 mey io.
Nivavabavahana daholo ny Filohan'ny Repoblika nifandimby. Ohatra, tamin'i Tsiranana niverina teto Madagasikara niaraka tamin-dry Ravoahangy, Raseta, Rabemananjara, dia izao no takelaka nandalovana tamin'ny Lalam-pirenena voalohany : « Misaotra ny Prezida Tsiranana, rain'ny Fahaleovantena, loharanon'ny fahafahana, masoandron'ny firahalahiana » (1) . Fomba fiteny « repoblikana » ve izany ? llay vahoaka zatran'ny fiandrianana fony Ranavalona III, no nataon'i Gallieni an-keriny ary nandimby tsy satry ny satan'ny « Loi-Cadre ». Baikoina hanao tsianjery maimbo zavatra tsy takatry ny sainy akory.
Nivavabavahana ihany koa ny FFKM (Fiangonana iraisam-pinoan'ny Kristiana eto Madagasikara) izay nihambo ho nahazera na Repoblika faharoa no sady nahaorina ny fanjakan-dRavalomanana. Fa na Papan'ny katolika, na Mpanjaka britanikan'ny anglikana, na Olom-boafidin'ny sahan'ny tompo protestanta, mbola olombelona ihany olombelona hatrany, vesaran'ny fepetra maha-olombelona na dia niezaka nanao ny voady isan-karazany aza.
Nodorana tamin'ny 1869 ny sampim-panjakana teto Imerina. Marina dia marina fa maro tamin'ireo sampim-panjakana no nampandosirina noho ny fanajana mbola tsy lefy. Marina dia marina ihany koa fa, hatramin'izay, anateren-tsorona miafina ny sampy. Tera-kovitra loatra hono ireo Zanadralambo nandray ny Masina Andrianampoinimerina, tamin'ilay « famadihana » mamoa-fady nataon'i Gallieni, taona 1897, ka nitehi-tany ny lohan'ny Ombalahibemaso. Fendro, tsiny, ozona !
Samy tompon'izay ataony ny olona. Hisavika, mahatantesa. Handrorona, zakao. Tsihibelambanana, fady. Tsy olona tokana no hanova na inona na inona. Na eo aza ny fanantontoloana, samy miatrika ny azy ny firenen-tsamy hafa. Izay tanteraka andafy, tsy mahefa eto anivon'ny riaka. Andrianampoinimerina aloha no raiki-tantara, mbola velon-tadidy roanjato taona aty aoriana, ihadian'ny foko maro levenambola, tanisain'ny firenen-drehetra manan-ko tantaraina, hasin'ny anarana isan-toko. Anefa, na inona na inona, tsy Andriamanitra akory ny Ombalahibemaso.
(1) Gazety Vaovao, n°187, 29.07.1960, p.6




Hit parade
Mirado revient au galop
Mauvaise nouvelle pour la bande à Beranto, laquelle a fait un grand saut avec "Ampy ahy" , le nouveau tube du groupe Ambondrona encore sur les lèvres du public. Après avoir retrogradé à la quatrième place, Mirado reprend la pole position avec son tube «Ilay Anjeliko». Encore un tube frappé de la couleur pop rock, cette nouvelle pépite du jeune chanteur a encore fait son charme auprès des teenagers de la Grande île. Une bonne nouvelle qui étoffe son palmarès. Après sa réussite au baccalauréat, la carrière musicale de Mirado se porte bien, merci.
1. Mirado « Anjeliko »
2. Ambondrona « Ampy ahy »
3. Shyn « Mangina »
4. Tarika Hasina «Babonao»
5. Jerry Marcoss & Larissa «Tsy mila vandivandy»
6. Poon «Mangina»
7. Shyn «Mila vonjy»
8. Ndondolah sy Tahiry «Konfiansy»
9. Y-Zit « Aza avelonao »
10. Iary «Izay ataon'la eo»




Ankibe sa voanemba ?
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
«Irin-ko faty vao ela velona ». Nampalahelo loatra an-dRatsiraka io oha-pitenena io tato ho ato. Fa iza anefa moa no maniry an-dRatsiraka ho faty ?
Tsy noho ny hoe demokrasia akory fa fahaiza-miaina fotsiny izao. Fomban-dRatsiraka no manatsafa, fony izy teo amin'ny fitondrana, hoe « Izaho no olan'ity firenena ity ». Fa izy moa tsy mba nihevitra ny tenany ho tsinontsinona. Olan'ny firenena angamba izy raha mbola teo amin'ny fitondrana saingy, ankehitriny, izao izy feno 72 taona izao, manirery any an-tsesitany any, mampanahy ve Ratsiraka sa mampalahelo ?
Hadalan'izay hahatonga an-dRatsiraka ho martiora tampoka eo raha sanatria ka misy mahazo azy any Andafy any. Aza adino fa fo tsetsetra ny Gasy ka mety hisalasala izy na ny filaharam-bary sy menaka, teny amin'ny fokontany fony Repoblika sosialista, no hitamberina na ny antra ity lahiantitra manembona ny tanindrazany no ndeha hataony hoe tsy rariny kosa. Raha izaho no eo amin'ny fitondrana, zarako foana aza Ratsiraka ho ela velona satria tsy mahatsindry fo izy ka alaim-panahy hiteniteny foana dia hitodi-damosina azy indray ny olona : « Io fa mihetsika indray, efa ho lava ».
Tsy 1972 intsony isika, fony mbola 36 taona ilay Ministry ny Raharaha amin'ny vahiny nanan-daza vetivety tamin'ny « accords de coopération ». Tsy 1975 intsony, raha nekena ambogadiny ny Boky Mena, ny Revolisiona sosialista ary Didier Ratsiraka. Tsy 1996 intsony akory, raha tafaverina tamim-pomba manetriketrika teo amin'ny fitondrana Ratsiraka noho ny ady an-tranon'ny Hery Velona. Enimpolo taona ny lehilahy tamin'izany. Mandroso tokoa ny volana sy ny taona, ela velona Ratsiraka, ary izay fahanterana izay indrindra no tena sakana, miha manano-sarotra isan'andro, tsy hahatafaverina azy intsony eo amin'ny fitondrana.
Ireny moa, tamin'ny fotoan'androny, nomena hevitra tsy hanao di-doha : izao, raha mba azo natoro, raha hita nanarina, asa, mety ho isan'irony « Ray aman-dReny » ampanantsoina hanelanelana amin'ny krizy iraisam-pirenena irony. Ho nahazo aina kokoa Ratsiraka raha mbola afaka nifampitafa tamin'ireo hany heveriny fa mendrika azy, dia ny Filoha am-perin'asa isan-karazany na dia tandindonin'ny mpanongam-panjakana aza ireny sakaizany ireny.
Ahoana moa ny dera sy hoby fony antokon'ny fitondrana ny Arema : « Ho ela velona ny Filoha hajaina Didier Ratsiraka ». Tanteraka tokoa anie izany, ankehitriny, saingy tsy Filoha intsony Ratsiraka, ary na ny mpikambana Arema sasany, nivavabavaka taminy fahiny aza, tsy dia manaja azy loatra intsony ankehitriny. Tokony hampahafantarina ireny mpitsipa-doha laka-nitana ireny kosa aloha ny ohabolana arabo manao hoe :
« ny liona, na efa banga tanteraka aza, mbola liona ihany ».
Fatra-panaja an-dRatsiraka aho. Hainy izany. Saingy ny adalan'ny tena hono tsy itsitsiana rotsan-kazo. Ho ela velona ianao Ratsiraka, ary mba meteza amin'izay re maka tahaka ny ankibe, mihatakataka fa lehilahy lehibe.




Hevitry ny Ziva
Tsy eritreritra intsony izany izao fa tena izy ny handraisana ny fivorian'ny Firaisambe Afrikana sy ny Firenena miteny Frantsay eto Madagasikara.
Tongotra mby an-dakana ny an'ny Fitondrana, tsy afaka mipody intsony. Anjarantsika vahoaka ny manao soroka miaramilanja amin'ny mpitondra tsy noho ny maha itsy na iroa azy, fa satria aty Madagasikara izany no atao dia voninahitry ny tanindrazana no tandrovina. Ny olona mandalo fa ny lazaratsy sanatria dia mitoetra. Raha mahomby ny toy izao dia heninkaja ny firenena ary ho tadidy mandrakizay izany, tsy mahomby izao dia hotsiahivina mandrakizay koa amin'izay ho kasaina rehetra Noho izany indrindra no iantsoanay Ziva ny vahoaka Malagasy mba hiaramientana hanao ny tandrify azy avy indrindra eo amin'ny fanentanana, ny torohevitra ary ny fandraisana anjara ho voninahitry ny taranaka. Henatra ifanakonana hoy ny razantsika. Hatramin'izao mantsy dia toa ny filoha Ravalomanana ihany no resy lahatra fa na dia ny manodidina azy akaiky aza dia toa sanganehana. Mino izahay fa tsy ny Fitondrana anateran-kira indray no sanatria no ilaza fa tsy mahay na halailay fonosana Sivy volana mantsy sisa, raha mbola hisalasala foana isika dia mety efa atomotra vao hikoropaka. Raha ny Fitondrana irery koa dia mety ho sahirankirana ihany. Ireto ary misy endrika ratsy hita eto amin'ny Firenena toy ny vay an-kandrina, mahamenatra tokoa nefa mety hisy vahaolana malaky.
Momba ny taxi ville : ratsy loatra
Lokon'ny trano eto an-tanàna : antitra loatra
Ny fako sy ny rehoka, roraparaky : mahamenatra
Ny plastika : miparitaka
Ny raharaha 2002 : aretina mikiky tokony ahitam-bahaolana.
Alohan'ny ilazanay ny vaha olana dia sokafanay aloha ny adihevitra amin'ny alàlan'ny mailaka ibziva@yahoo.fr
Tokony ahitam-bahaolana ireo amin'ny alàlan'ny 3P. Alefaso ary ny sosonkevitrao.
Dokotera Vonjisoa (Filohan'ny Ziva)




Mivadika finoana
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Vorian'ny Mpanjakan'i Arabia Saodita any New York ny solontenam-panjakana maro sy ireo lohandohan'ny mpisorona amin'ny Fivavahana samy hafa maneran-tany. Isan'ny tazana amin'izany ny filoha amerikana George W. Bush, ny filoha israeliana Shimon Peres, ny Praministra frantsay teo aloha Alain Juppé. Antitranterina fatratra amin'izany fivoriana izany ny fahalalahana ara-pinoana, ny fifanajan'ny finoana, ny fahafahana miova finoana.
Ity farany no tiako asiana resaka. Raha azoko tsara anefa, ny tian'izy rehetra resahina dia ny Silamo hivadika Kristiana, ny Kristiana hivadika Jiosy, ny Jiosy hanao Silamo. Fa izao no tsy azoko : maninona izaho, notaizaina tamin'ny sekoly jezoita, ny ray Loterana ny reny Katolika, no tsy mba afaka hiala tsy ho Kristiana. Nanoratra tany amin'ny Kardinaly teo aloha aho, vao feno 18 taona, mba ho tsoahina amiko ny sakramenta natao tamiko fahazaza. Novaliany hoe « sakramenta nomen'Andriamanitra tsy azon'olombelona alana ». Taty aoriana, nasehoko ny Kardinaly ankehitriny ilay taratasy, dia natosiny sady somary noesoiny aho : « Mba mpianatry Saint-Michel ihany ialahy dia izao ve no ataon'ialahy ! ».
Fa, raha nikasa hivady hono ny ray aman-dreniko, tao aoriana kelin'ny Konsily Vatikana Faharoa, dia efa nanahirana ity hoe Loterana sy Katolika ity. Raha nandefitra niditra am-piangonana indray aho, telopolo taona aty aoriana, raharaha hafa indray koa ny batemy EKAR sy fandraisana FLM ka, farany, niafara tamin'ny tso-drano FJKM. Fiovana finoana sahady mantsy no fiantsoan'ny samy Kristiana ny fifindrana fiangonana : Ambatovinaky ve sa Faravohitra Masindahy Joany Baptista ve sa Ambohitantely e !
Ny aty amintsika aza moa mba vitan'ny aingitra, avona na eso, fa ny tany Irlandy rà mandriaka. Nisy izany Saint-Barthélémy izany koa tany Frantsa. Maro tamin'ireo Protestenta voahenjika, tany Alemana na tany Holandy, no nisafidy hiorim-ponenana tany Amerika. Vao farany teo, tsy misy herinandro akory, tao an-tempolin'i Jerosalema, niady nifandaka sy nifamely totohondry ny Grika ortodoksa sy ny Kristiana armeniana. Taty Madagasikara, rehefa tonga ny Frantsay, zato taona lasa izay, dia nalainy ny Fiangonana protestanta sasany ka, na natolony ny Katolika na nosoloiny MPF (frantsay) ny LMS (britanika).
Izany ary ny samy Kristiana. Ny samy Silamo indray, mbola mifamono ho faty ny Shiita sy ny Sonita. Tsy izany moa ve no mampisavoritaka any Iraka ankehitriny ? Tsy tantaraina intsony ny « Croisades » nifanandrianan'ny Kristiana sy ny Silamo, nandritra ny taonjato maro. Hatramin'izao, mbola io ady fivavahana io ihany no tsy ahitana vaha-olana amin'ny Silamo sy Jiosy mikasika an'i Jerosalema.
Na dia ho kabary tsara lahatra fotsiny aza aloha izao fihaonana any New York izao dia efa zara aza aloha. Fa raha milamina ny Fivavahana lehibe, Jiosy, Kristiana, Silamo, Boddhista, Hindo, enga anie tsy ho adinon-dry zareo izahay tsy manan'Andriamanitra tompoina, tsy mitoriteny ny hafa ary maniry fotsiny tsy helingelenina amin'izany safidy izany.




Mahantra
Raha tena mijery akaiky ny zava-misy isika, dia hahita fa ny maro an'isa no ireo midradradradra ho mahantra ireo.
Ny vitsy an'isa kosa sady tsy mahita no tsy miaiky izany fahantran'ireo izany.
Tato ho ato, dia matetika no nandrenesana fitenenana ny fahatrantsika Malagasy. Nambara fa 43 isan-jaton'ny mponina eto Antananarivo no tsy ampy sakafo. Tahotra ny ho afa-baraka no tsy nilazana azy ho 51, na dia tsy lavitr'izany aza. Ary raha izany ny eto Iarivo, mba aiza ho aiza kosa ry zareo any amin'ny Faritra 22 ? Lazaina koa fa amin'ny taona 2012, dia ny antsasaky ny mahantra ankehitriny no ho sisa ; izay notohizan'izay fatsora lahy iray izay hoe : « Satria ho faty kere ny antsasany ».
Tsy mahafaly an'iza an'iza ny tondroina na antsoina ho mahantra. Tsy mahantra hono izy fa sahirana, na koa tsy sahirana fa tsy manana izay ilaina. Raha jerena amin'ny maso mihiratra, dia mazava fa mahantra ara-tsakafo, mahantra ara-ponenana, ara-pitafiana, ara-pahasalamana, arak'asa... Izany hoe : mahantra ara-pivelomana, mahantra ara-piainana. Dia mbola ampian'ny masiaka indray hoe : mahantra ara-tsaina. Ambara amin'izany ireo Saina mpitondra sy mpitantana ao ambony. Raha tsy izany ve dia ho « Noana ambony sompitra » sy « Hangetaheta ambony lakana » toy izao isika. Satria moa atao antso avo hatraiza hatraiza fa « Firenena manankarena indrindra eto amin'izao tontolo izao i Madagasikara ». Efa tsy laitra ny maha mahantra ara-batana, kanefa dia mbola mahantra ara-tsaina koa. Nivadika ny fitenenana ka lasa « Manan-tsira tsy mahay mahandro » ny antsika.
Ny fitondrana rehetra nifandimby teto, hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, 14-10-58, dia samy nilokaloka sy nanao ho vaindohan-draharaha, ho laharam-pahamehana hoy isika ankehitriny ny fandrenesana ny fahantrana : « Politikan'ny kibo ». « Mamokàra, mamokàra ». « Tsy lahatra akory ny fahantrana » ary « Ny hampanankarena ny mahantra...» sy ny « Miasà mafy, miasà haingana, miasà tsara ! » izay ahatsiarovana ny karavasy androahana ny ombin-tsarety. Samy hita ny nataon'izy ireo, ny vitany sy ny tsy vitany, ny fahombiazany sy ny tsy fahombiazany ary ny fiantraikany tany amin'ny vahoaka.
Dia hoy ity mpanakanto mandrisika ny olony miaka-tsehatra : « Hihetsika sa tsy hihetsika ? ». Hoy ny valiny : « Hihetsika ! » Fa na tena mihetsika ireo na malaindaina, dia sangin'ilay mpanentana hoe « Tsy hitako izao ! » dia mifandrisika eo ireo.
Ny mahavaka kosa dia ny fahitana an-dry zalahy mitombo harena izaitsizy, fa ny sisa kosa mitombo fahantrana lozantany, any ka mbola ny « Tsy hitako izao » foana no setrin'ny ady sy tolona amin'ity fahantrana ity hatreto. Toa zary « Variana maneno sy kipantsona mikarantsana » ireo dina sy hambo natao handresena ny fahantrana , raha tsy sanatria « Handresy ny mahantra » angaha no any am-po tsy miloaka any.
Marina fa any ireo antonantony rehetra azo tanisaina isan'ny mahatonga izao aretina toa efa hanapa-kozatra izao. Fa na hiola-ko vy na hiola-kovato, ary « teny zato, arivo kabary », dia ny tsy fahombiazan'ny fitondram-pirenena no rangory fototry ny afo amin'izao fahantran'ny Malagasy sy izao, ka maha kila forehitra antsika toy izao. Ny harena misy fa ny fampiasana azy amin'ny FAHAMARINANANA SY FAHAMASINANA no andrasana. Sanatria ve dia hahantra olona madio saina, mahitsy eritreritra, tsara sitrapo ary soa hanahy ity firenena ity ?
Ralaivao Joseph




Fampianarana ambony
Tonga eny Ankatso ny Sinoa
Napetraka ny 13 novambra teo tamin'ny fomba ofisialy ny toeram-pampianarana ambony sinoa izay mitondra ny anarana Université Normale de Jiangxi.
Natao teny amin'ny tranombokin'ny Oniversiten'Ankatso nanomboka tamin'ny 10 ora maraina ary tsy nifarana raha tsy tamin'ny 1ora antoandro ny lanonam-pametrahana ity toem-pampianarana vaovao ity.
Ity fametrahana sampam-pampianarana ambony ity dia fandaharan'asa efa novolavolaina sy nifanaovan'i Shina sy i Madagasikara sonia tamin'ny taona 2007.
Raha ny fanazavana nentin'ny tompon'andraikitra moa dia tokony efa ho ela no nametrahana ity toeram-pampianarana sinoa ity teto Madagasikara, izany hoe taorian'ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny roa tonta, saingy noho ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny ho enti-manana dia tsy afa-nanatanteraka izany izy ireo.
Noho izay tsy faham-pian'ny fitaovana enti-manangana izay ary dia tsy mbola manomboka amin'ity taona 2008 ity ny fotoam-pianarana.
S.A.




Betamotamo
Tanàna vaovao ho an'ny mpifindra monina
Olona maherin'ny fitonjato no monina ao Betamotamo, 20 kilaometatra miala an'i Morafeno, distrikan'i Mandoto. Velarantany 1 800 ha no honenan'izy ireo.
Ho fanampiana ireo fianakaviana sahirana sy ho fampandrosoana ny faritra Vakinankaratra dia naorina ny tanànan'i Betamotamo. Ny 3 septambra no nanomboka nitoetra tao ireo mpifindra monina miisa fitonjato.
Velarantany mirefy 1 800 ha no hitoeran'izy ireo ary mizara ho fikambanana roa ireo mponina dia ny « Taratry ny Firaisankinan'ny Tantsaha » (TAFITA), ao amin'ny ilany atsinanana, ary ny « Fikam-banan'ny Tantsaha Miavo-tena » (FITAM), ao andrefana. 28 kilaometatra miala amin'ny kaominina Anjoma Ramartina no misy an'i Betamotamo, 20 kilaometatra raha avy ao Morafeno.
Fambolena sy fiompiana
Miaina amin'ny zava-misy ireo mponina ka bozaka aloha hatreto no nanamboarana ny trano izay honenan'izy ireo. Amin'ny maha mpifindra monina azy ireo dia ny lehilahy no maro an'isa hatramin'izao. Mivelona amin'ny fambolena sy fiompiana ny mponina, ka ny fiompiana dia mifototra amin'ny omby izay mampalaza an'iny faritra andrefana iny. Izany indrindra no nahatonga ireto mpifindra monina vonon-kihary ireto nifidy an'i Betamotamo. Nifanindran-dalana tamin'ny an'ny faritra ihany koa ny tanjon'izy ireo, dia ny hanitatra ny tany hajariana ka hampiakatra ny vokatra sy hampihena ny fahantrana.
Mba ho fanomezana endrika ny tanàna sy ho fanampiana ireo mponina ary dia hanolotra biriky iray alina isa sy simenitra folo lasaka ary tafo fanitso zato isa ny faritr'i Vakinankaratra mba hahafahan'izy ireo miaina amin'ny trano ara-dalàna. Ankoatra ireo dia homena tracteur hiasana ny tany 100 ha izay hambolena ihany koa ry zareo.
« Laharampahamehana ny fandriampahalemana », hoy ny lehiben'ny faritra, ka dia hametrahana mpitandro ny filaminana any an-toerana. Mba ho feno sy ara-dalàna ny tananan'i Betamotamo dia haorina ny sekoly ho an' ny ankizy ary handefa tompon' andraikitry ny Fahasalamana hanara-maso ireo mponina ao ihany koa ny Faritra.
Tsy kely fa zavadehibe ny famakiana làlana hanohizana izay efa natomboky ny fokonolona. Tsy ireo ihany anefa no hapetraka ao fa mbola maro, saingy ireo aloha no maika sy ilain'ny mponina hiaingana amin'ny fampan-drosoana ny tenany sy ny tontolo manodidina azy.
Rahatrizay ka tratran'ireto mpifindra monina ireto ny tanjona tadiaviny dia faniriany ny hanomezana anarana vaovao ny tanàna honenany ka ny ilany andrefana dia hantsoina hoe « Beombalahy » ary ny atsinanana kosa dia « Ambohibao ».





Sinema ve sa tena izy ?
Raha nahita sy nihaino ny fitsarana «Bolo et Consorts» ny tena izay mpandalo ihany fa tsy misy antony loatra fa fitia te-hihaino dia variana.
Ahoana tokoa moa no hitovy sazy ny miaramila lehibe, miaramila vatany ary ny «sivily izay toa misy mpanao taxiphone ? Tokony ho jerena «cas par cas» izy ireo.
Ny sivily iray lazaina fa «milliardaire» toa ny asany indray no antony anontaniana azy, ny miaramila izay milaza ho tompon'ny lakile aza milaza fa tsy misy fiadiana very akory tao amin'ny RTS, sa efa nanontaniana tokoa ny «chef de corps'n'io RTS io?
Ilay sivily mpanao Taxiphone dia resaka téléphone hono no nahavoa azy.
Ilay iray izay hoe toa efa nigadra dia «chômeur» fa mifankahala amin'i Jly Bôlo dia voatana koa, raha miresaka ny olona dia toa «cinéma» tokoa ity raharaha ity satria ny «officier» namana iray nanontaniana dia nilaza fa ireny «lance roquette» ireny dia sarotra ny mangalatra azy satria «éléments maromaro» hono no atambatra vao «complets» ireny, nefa samihafa ny toerana ametrahana an' ireny, amin' izay hoy izy dia sarotra ny mamoaka ireny. «Cinéma» tokoa angamba.
Hevitra fotsiny ny anay.
RJC Anosipatrana




Mikasika ny zon'ny mpiasa
Miarahaba anareo avy amin'ny gazety l&#039;Express Madagascar ny tenako.
Efa manomboka faheno matetika ankehitriny ny resaka «droits des employés». Efa maro ihany ireo mpiasa mametraka fitarainana mikasika ny tsy fanajana ny zon'ny mpiasa;na momba ny ora fiasana ( heure suplementaire ) na ny fandraisana karàma io, na ny fampiasana amin'ny alina tsy manara-penitra... mampalahelo ny zava-miseho ankehitriny satria dia maro ny orinasa tsy manara-dalàna indrindra moa fa ireo mpiasan'ny hôpitaly tsy miankina amin'ny fanjakàna no tena anisan'ny voakasik'izany.moa tsy tokony hitovy va ny zon'ny amin'ny samy mpiasa na miankina na tsy miankina.koa mangataka fitiliana akaiky avy amin' ireo mana-pahefàna ambony re tompoko mba hanara-maso ny zon'ny mpiasa ( amin'ny orinasa tsy miankina ) fa tena mampalahelo no sady manimba ny zo maha olombelona. Misaotra tompoko




Nosy Be
Tovolahy maty nampiahiahy
Tsy mino ny fahafatesan-janany tampoka ny fianakavin'i Phillip Ah-Weng (21 taona), hita faty nihantona teny ambony hazo, tao Mahatsinjo Nosy Be ny 27 oktobra teo. Hany ka namongatra indray ny razana mba ho atao « autopsie ». Nambaran'izy ireo mantsy fa mampiahiahy azy ny fahafatesan'ny zanany, ankoatra ny fahitàna ny faritra mangana tamin'ny vatany.
Toerana sahabo ho enina kilometatra miala ny tranony no nahitàna ny razana tamin'izay fotoana izay. Toerana tsy tokony halehany mihitsy satria haka fanafody tany am-piasan-drainy no anton-dia nivoahany ny trano tamin'io andro io. Ary teo am-piandrasana fiara haka azy izy, no nahitàn'ny manodidina azy farany.
Nanao ny fikarohana ny ray aman-dreniny rehefa tsy nody tao an-trano izy. Antso an-tariby avy tamin'ny olom-pantatra no nahafantarany ny zava-nanjo an'i Phillip Ah-Weng.
Efa nametraka ny fitarainany eo anivon'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, araka izany, ny ray aman-drenin'ity tovolahy ity amin'izao fotoana izao.




Ambohimahitsy
Maizinkitrokany faritra sasany
Roatokombolana ngarangidina izao dia miaina ao anatin'ny haizina ny faritra sasany ao Ambohimahitsy. « Tapaka tamin'ilay varatra nirefodrefotra narahina oram-batravatra indray talata izay ny jiro tety aminay ary dia hatramin'izao tsy mbola niverina », hoy Ravo.
« Sasatra foana izahay miantso sy mampandre ny Jirama amin'ity fahatapa-han'ny jiro ity. Fa ampitso ampitso foana no valiny. Ataon'ity orinasa ity faralahiny mihitsy izahay ety Ambohimahitsy ety satria amin' ny faritra sasany niara-tapaka taminay, dia efa niverina ny jiro », hoy kosa i Mbola, renim-pianakaviana iray.
Nambaran'ireo mponina eny an-toerana anefa fa misy amin'ny foto-piveloman'izy ireo ny miankina amin'ny jiron'ny Jirama, toy ny mpanjaitra, ny mpivarotra, ny mpandrafitra... ary dia voatery mijanona tsy fidiny noho izay fahatapahan'ny jiro maharitra izay.
Koa manaitra ihany ny sain'ireo tompon'andraikitra akaiky eo anivon'ity orinasa ity izy ireo mba hijery akaiky an'io olan'ny jiro eny an-toerana io.




Ambohimanarina
Velon-taraina ny mpivaro-kena
Tsy ampy rivotra ny tsena vaovaon'Ambohimanarina, ka mampi-taraina ireo mpivaro-kena ao anatiny. Vetivety dia simba ny entana.
Tsara trano vao misedra olana ireo mpivaro-kena ao amin'ny tsenan' Ambohi-manarina. Nambaran'izy ireo mantsy fa tsy mifanaraka amin'ny entana amidiny mihitsy ny firafitr'ity tsena vaovao ity satria tsy ampy rivotra.
« Tapak'andro ihany no ananana hena tsara eto dia efa manomboka mangana izy. Ary ny ampitso dia tsy azo amidy intsony fa miteraka fofona », hoy ity mpivaro-kena iray ao an-toerana.
Tsy azo tehirizina
Nanterin'izy ireo anefa fa manana an'ireny vatabe fampangatsiahana ireny izy ireo hitehirizana ny hena. Nefa raha mbola hivarotra, tsy afaka ny hametraka izany ao anatiny satria ny mpividy mila misafidy izay hena tiany. Ka tsy maintsy aranty sy avelatra eo ambony latabatra avokoa aloha ny hena rehetra. Izay anefa ny zava-misy iainan'ireo mpivaro-kena.
« Mafana be mihitsy ato amin'ity trano ity ary tsy laitra iainana rehefa antoandro », hoy ihany izy ireo.
Ny mpivarotra eo akaikin'ny varavaram-be mba mahita rivotra kely ihany fa ireo sendra tafiditra any anatiny no tena mizaka ny tsy eran'ny aina. Ary dia misy fiantraikany eo amin'ny famarotana ny entana na ny fandehan'ny tsenan'ireo mpivarotra izay.
Hena mahatratra hatrany amin'ny 100 kilao ka hatramin'ny 200 kilao isan'andro any anefa no nambaran'ireo mpivarotra fa amidin'izy ireo tsirairay avy.
Raha ny nambaran'ny lehiben'ny tsena Randrianasolo Jean Claude Philibert, noho izay zava-misy izay dia tsy navela hiditra ao anatin'ity tsena vaovao ity mihitsy ny mpivarotra taovan-kena, fa nitadiavana toerana any ivelany. Toy izany ihany koa ireo mpivarotra entana miteraka fofona mahery toy ny trontro maina, ny tapa-kazo...
Mpivarotra eo amin'ny 230 eo no indray ao amin'ity tsena vaovaon' Ambohimanarina ity, efa ho tapa-bolana izao. Tsy mbola voafaritra ny hofan'ny trano kely ivarotana amin'izany, raha ny fanazavan'ny lehiben'ny tsena ihany, ka ny haba 500 ariary isan'andro ihany aloha no alaina sy takiana amin'izy ireo.





Boeny
Le bureau régional Rég TIM installé
Fin du suspense pour le parti Tiako Madagasikara (TIM) dans la région Boeny. Les membres du bureau du Rég Tim viennent d'être présentés officiellement vendredi à l'hôtel de la Piscine à Mahajanga.
Sur trois noms proposés au bureau central, celui de l'ancien sénateur Janson Ratianarivo a été retenu. Il est désigné, par le bureau national du TIM, en tant que président du Rég Tim dans la région Boeny.
«Le président du Rég Tim est quelqu'un de rassembleur, ayant une vision régionale et connaissant sa région.», a rapporté le président national du Tim, le sénateur Yvan Randriasandratriniony, lors de la présentation officielle.
Les autres membres du bureau sont le sénateur sortant, Housseny, premier vice-président, le conseiller régional le Dr Tovoson, deuxième vice-président, et le conseiller le Dr Armand Rasolofomanana, secrétaire général.
L'ex directeur de l'administration générale et territoriale de la région Boeny, Richard Gaétan, occupe le poste de trésorier.




Tsaralalàna
Nirehitra ny hopitalin'ny zaza
Nidiran-doza, omaly hariva, ny hopitalin' ny ankizy madinika eny Tsaralalàna. Narehitry ny « court-circuit » tamin'iny oram-be nikija iny. Raha ny fanazavana azo tao an-toerana avy tamin'ireo mpiasan'ity hopitaly ity dia tany an-tafontrano no niandohan'ilay court-circuit, ary dia nidina nanaraka ny taribin-jiro tao anatin'ny trano.
Soa fa tao amin'ilay magazay fitoeran'entana misy an'ireo kojakoja sy fitaovana samihafa ampiasaina ao amin'ny hopitaly, akaikin'ny cafétéria sy ny laboratoire, no nisehoan'ilay hain-trano. Izany hoe lavitr'ireo efitrano misy an'ireo zaza marary.
« Teo am-pisakafoana mihitsy ireo mpiasa niandry raharaha tamin'io andro io no niseho ny loza. Nipoapoaka be ilay izy ary namoaka afo nony avy eo », hoy ny iray tamin'ireo mpiandry marary. Nikoropaka nivoaka ny trano avokoa na ireo mpiasa na ireo ray aman-dreny nanan-janaka narary tao.
Tao ny niantso ny mpamonjy voina, nisy ny niantso ny Jirama. Ireo ray aman-dreny sasany moa dia nandositra nanavotra ny ainy sy nitondra ny zanany nitsoaka ny loza mihitsy. Lahy tokana tokoa ny aina !
Akaiky teo anefa ny mpamonjy voina ary haingana ihany koa ny famonjen'ny Jirama nanapaka ny herin' aratra ka voafehy vetivety ny afo. Tsy nisy, araka izany, ny aina nafoy na ny naratra. Vetivety ihany koa dia efa tafaverina tamin'ny laoniny ny herin'aratra tao an-toerana.




Antanimora
Miparitaka eran'ny arabe ny fako
Miavosa manerana ny araben'Antanimora miakatra any amin'ny fonja iny ny fako. Tsy misy mpaka efa ho iray volana izao.
Tsy laitra iainana ny fiparitahan'ny fako eny Antanimora, miditra amin'iny arabe misy ny fonja iny. Miely manerana ny lalana mantsy ilay izy ary ny antsasaky ny arabe feno fako avokoa. Zara raha misy handehanana. Ny fofona sy ny lalitra amin'izany tsy lazaina intsony fa manempotra sy manahirana.
Fako iray volana
Dia mifanitsa-kitro amin'ny fako eo ireo olona zavontany tonga mamangy sy manatitra sakafo ho an'ny havany voafonja. Tsy lavitra an'ity fanariam-pako ity moa ny baravy ijanonan'izy ireo amin'ny fanaterana sakafo. Ny mpivarotra koa anefa etsy andaniny manararaotra ny fahamaroan'ny olona ka mitady ny sitrany ahay hahazoam-bola.
Raha ny fanazavan'ireo mponina eny an-toerana sy ireo mpiandry fonja miasa isan'andro dia efa fako nandritra ny andro maromaro mihitsy izy io. Misy any amin'ny iray volana any, araka ny raim-pianakaviana iray.
« Tonga ety aminay ihany ireo mpiasan'ny Fivondronana maka fako, satria misy dabam-pako iray ao ambanimbany ao (any amin'ny lalam-be). Fa ity eto aminay ity dia tsy alainy mihitsy », hoy ireo mpiandry fonja ao Antanimora. Dia io izy miparitaka eran'ny lalana io. Ny orana moa manampy trotraka amin'ny fielezany. « Efa nandefa taratasy teny anivon'ny kaominina izahay amin'ny fijerena akaiky an'ity fako eto aminay ity », hoy ny tompon'andraikitry ny fonja ao Antanimora.
Tsy mijanona eo amin'ity resaka fako ity ihany ny olana eo ivelan'ny fonjan'Antanimora, fa eo ihany koa ny trano kely fivoahana izay mba natokana ho an'ny mpamangy an'ireo voafonja. Mba nijoro tsara ihany, raha ny fahitana azy fa dia tsy ampy nofaohin'ny rivo-mahery ka nihilana. Dia tsy azo ampisaina intsony. Ary dia eny amin'ny manodidina rehetra eny ireo mpamangy izay poritra no manao ny ataony. Tsy misy henatra intsony na lahy na vavy, fa izay hahafahana manala ny mavesatra sisa no atao.
Izany rehetra izany dia loto manampy trotraka ny fiparitahan'ny fako avokoa.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Vaky ny doany ao Mitsinjo. Tsy fantatra izay tetik'ireo olon-dratsy tamin'ny famakiana ny doany tao Mitsinjo, any amin'ny faritr'i Boeny, ny 17 novambra lasa teo. Ilay varavarana voalohany no efa voavakin'izy ireo tamin'izany. Rehefa nozahana anefa ny tao anatiny, niaraka tamin'ny manampahefana, dia tsy nisy tomika ny entana. Nametraka fitaraina tany amin'ny zandary ny solontenan'ny Mpanjaka any an-toerana.
Misy olana ny FJKM ao Sambava. Ho fandaminana ny disadisa anatin'ny fiangonana FJKM ao amin'ny fokontanin' Antongopahitra-Sambava, dia niara-nivory tamin'ireo mpino roa tonta tsy mifanaraka ny fokonolona. Notapahina tamin'izany ny famindran-toerana ny pastora. Ny biraom-piangonana no mitantana vonjimaika ny fiangonana izay mijanona ho iray tsy mivaky.
«Foza orana» nahatonga ady. Ny famoahana ny fitenenana hoe « foza orana » izay natefa tamin'ny tovovavy iray no naharaikitra ny adin'ireo andian-jatovo teny Tongarivo sy Volotara, amin'iny faritr'Andoharanofotsy iny, ny alatsinainy hariva teo. Roa ny naratra ary tafakatra 11 ny isan'ireo voasambotra.
Nangonin'i




Antsohihy
Gadra sivy lahy namaky fonja
Novakian'ny gadra, omaly maraina, ny fonjan'Antsohihy. Sivy lahy be izao izy no indray tafatsoaka tamin'izany. Ny iray amin'ireo, araka ny vaovao azo avy tany an-toerana, dia olona nahazo fanamelohana higadra mandrapahafatiny.
Ilay karakara vy avy ao amin'ny valin-tafo no voalaza fa noendahin'izy ireo. Dia lasa nitsoaka. Io karakara vy io anefa mba natao hidiran' ny rivotra hahafahan' ireo voafonja miaina tsara ao anaty efitrano.
Ny lamba firakofan'izy dimy lahy no naolankolany sy natohitohiny ary nafatony teny amin'ilay karakara vy. Dia iny no nataony tady hiakarana ka mora ho azy tamin'izay no nanakipaka ny tafon-trano handosirana.
Sahabo ho tamin'ny roa ora maraina tany no nanao-van'izy ireo izany ka tsy nisy nahatsikaritra raha tsy izy efa lasa nitsoaka. Ireo gadra namany rahateo tsy nisy sahy niantso vonjy noho ny tahotra.Efa miezaka ny manenjika ireto nitsoaka ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.
Efa fonja efa roa izao no vaky tato anatin'ny herinandro monja. Nanamafy ny fiam-benana azy ireny ny tompon' andraikitra noho izany.




Antanimena
« Cocaïne » amina kilao no sarona
Betsaka mihitsy ny zava-mahadomelina tratra tao amin'ny fadin-tseranana ao Antanimena, omaly izay nampidirin'ny teratany vahiny.
«Sambany teto Mada-gasikara no nahatrarana zava-maha-domelina mahery vaika zavon-tany toy izao ». Izany avy hatrany no nataon'ny tale jeneralin'ny fadin-tseranana Vola Razafindramiandra tao amin'ny ladoany ao Antani-mena, omaly. Nidina teny an-toerana izy, nijery ifotony ny fahatraran'ireo borigady manokana avy ao amin'ity sampan-draharaha ity niaraka amin'ny polisim-pirenena miady amin'ny zava-mahado-melina eny Anosy, an'ireo
« cocaïne » sy « heroïne ».
Nosoritany fa rongony mahery vaika hatrany amin'ny folo kilao mahery any no sarona.
Avy any Pakistan
Kontenera lehibe iray nitondra karazan-damba sy entam-barotra no nahitana azy ireo. Ny sasany natao tanaty « cellophane » dia nasisika tanaty servieta fifafàna; tao koa ny nararaka tamin'ny sisin'ireny raketa fanipazana baolina ireny ary dia notampenana « scotch ». Ary ireny baoritra misy emboka manitra ireny no natao teo akaikiny mba hanafenana ny fofony tsy hiely tao anaty kaontenera.
Omaly tolakandro no namakiana ny kaontenera ka nisavana ny entana ary dia tratra teo ny nafenina. Noraisim-potsiny teo ihany koa ny tompon'ny entana izay voalaza fa teratany pakistanais iray mivarotra eto an-drenivohitra. « Efa tany amin'ny volana oktobra tany ity kaontenera ity no tonga teto Madagasikara, tao Toamasina. Avy tany Pakistan izy io », hoy ihany ny talen'ny fadin-tseranana.
« Efa nampamahina anay ny fihetsik'ilay tompon'ny entana. Nosakanany tsy hibata ny entana mantsy ireo dokera tao anatin'ny fadin-tseranana, fa izy irery ihany no namoaka sy nibata ny baoritra be avy tao anaty kaontenera », hoy ireo polisy.
Nambaran'ny tale jeneralin'ny fadin-tseranana fa efa nanaovana fitiliana tamin'ny fitaovana àry fomba ireo zava-mahadomelina sarona ireo. Voamarina tamin'izany ny maha rongony mahery vaika azy. Nambaran'ireo polisy moa fa mazàna dia tsy aparitaka na amidy eto Madagasikara itony karazana rongony itony, fa toerana fandalovany fotsiny ny eto.
Mila mailo, araka izany, isika amin'ny fivezivezen'ny entana sy ny vahiny eto amintsika.





Ambohijanahary
Trano hazo iray narodana
Mbola niverina teny Andrefan'Ambohijanahary, omaly, ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna. Teny amin'ilay faritra nisehoan'ny loza namoizana fianakaviana iray manontolo, valo mianaka. Trano hazo iray eo andrefan'ity toerana ity, izay efa nironjona niankandrefana tsy naharitra ny fisosan'ny ranon-tany entin'ny riaka no niasan'izy ireo tamin'izany, ka tsy maintsy noravana.
Ireo mpanolotsainan'ny kaominina voafidy tao amin'ny firaisana fahefatra, no nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy, omaly. Ary izy ireo no niantso ny mpamonjy voina. Nantsoina teo ihany koa, nanaovana famotorana tsotsotra ny tompon'ilay rindrim-bato nitera-doza, nanontaniana ny amin'ny fahazoany alalana amin'ny fanorenena nataony.




Zon'ny ankizy
Efa misy ny mitory eny amin'ny fitsarana
Misy ihany amin'izao fotoana izao, na dia mbola vitsy aza, ny fitarainana voarain'ny polisy sy ny Fitsarana momba ny fampiasana zaza tsy ampy taona.
Manomboka sahy sy mandray ny andraikiny amin'izao fotoana izao ny ankolafin'olona maro amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ireo latsaky ny 15 taona indrindra indrindra. Izany hoe ny fampiasana azy ireo mba hahazoam-bola amin'ny endriny rehetra, eny fa na dia ny fampiasana azy hiasa an-trano aza, araka ny voafaritry ny lalàna
2007-038.
Raha ny vaovao nangonina teny anivon'ny Fitsarana sy ny Polisim-pirenena misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona mantsy dia efa misy tokoa ny mitondra ny raharaha eny anivon'izy ireo amin'izany. « Ao ny mpiara-monina, ao koa ny havana akaikin'ilay zaza, raha toa ka tsy eo intsony ny ray aman-dreniny », hoy ny mpitsara iray.
Fanaovana herisetra
Ny tena manaitra ny mpiara-monina na ny fianakaviany, amin'ity fampiasana zaza tsy ampy taona ity, araka ny fitarainana tonga eo anivon'ireto manam-pahefana ireto, dia tsy ny hoe fampiasana azy ireo loatra fa ny fanaovana herisetra aminy.
« Samy mahatsapa ny fahasarotan'ny fiainana mantsy ny rehetra ka mahalefitra ihany ny fandefasana ny zaza tsy ampy taona hiasa an-trano. Saingy ny famonoana azy na ny tsy fanomezana ny karamany no tena manaitra ny mano-didina ka mahatonga azy ireo hanao ny fitarainany aty aminay », hoy ny manamboninahitry ny polisy iray miasa ao amin'ny fisahanana ny raharahan'ny zaza tsy ampy taona.
Voaray ny fitarainan'ny olona ary atao ny famotorana, dia atolotra ny Fampanoavana ny raharaha. Nosoritany mantsy fa anisan'ny voafaritra ao anatin'ny fehezan-dalàna famaizana amin'izao fotoana izao ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ary mety hitarika hatrany amin'ny fampidirana am-ponja mihitsy.





Fitakiana tombon-karama
Noho ny fanazavana tsy maintsy narahina, dia nanao fandefasana mpiasa misotro ronono mialoha ny fotoana ny Paositra malagasy sy ny minisitera iankinany tamin'ny novambra 2000.
Ireo mpiasa nalefa nisotro ronono ireo dia, saika ny ankamaroany tsy nahafeno ny fe-potoana voalazan'ny fitsipika ankapobeny ny mpiasam-panjakana taloha tamin'ny taona 1962, izany hoe « feno 55 taona ary nahavita 25 taona niasana » hany ka tsy nahazo ny tombon-karama momba ny zaza.
Ny mahafaly kosa anefa amin'izao fitondrana izao, izay nisian'ny fampandehanana misotro ronono mialoha ny fotoana hatrany ary namporisihana mihitsy aza, dia voatsimbina tanteraka ny mpisotro ronono, ka araky ny andininy 75 laharana 1 lohateny IX ny sata ankapoben'ny mpiasam-panjakana manankery 3 septambra 2003, dia ekena hisotro ronono noho ny fahelana amin'ny asa rehefa nahavita 25 taona tena niasana na firy taona izy na firy taona ary mahazo avy hatrany ny zo amin'ny fisotroan-dronono, ary koa ny laharana 3 b amin'io andiny 75 io ihany koa no manambara ny fananana zo handray tambim-piatrehana ny fisotroan-dronono zakai-manana avy hatrany mitovy ny karama 12 volana noraisina farany.
Ireo rehetra voalaza eo ambony ireo dia tsy mba azonay zay nandeha nisotro ronono tamin'ny 30 novambra 2000.
Koa izany no hitarainanay, ka mangataka ny mba ahazo ny tombon-karama momba ny zaza voalazan'ny sata ankapobeny ny mpiasam-panjakana manankery amin'izao fitondranao izao. Izahay nandeha nisotro ronono mialoha ny fotoana ireo dia betsaka tokoa ny nahavita 25 taona ary anisan'izany ny tenako izay nahavita 35 taona niasana tao amin'ny Paositra malagasy.
Eo am-piandrasana amin'ny fanantenana omban'ny fisaorana.
Rakotondramasy Gilbert




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpamily nandositra. Naratra mafy ilay lehilahy nanosika moto « scooter » nodonin'ny fiara BMW teny Bemasoandro-Itaosy, afak'omaly antoandro. Ilay mpamily moa lasa nirifatra nitsoaka ary eo am-pikarohana azy ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.
Rongony 41 kilao sarona. Teo amoron-dranomasina tao Ampombolava ao amin'ny kaominin'i Nosy Be, no nisy nametraka ireo gony efatra feno rongony. Hatairana ny an'ireo fokonolona raha nahita izany ka tonga dia nampandre ny manam-pahefana. Rehefa nolanjaina ilay gony dia nahatratra 41 kilao ny lanjany. Eo am-pelatanan'ny zandary ao an-toerana amin'izao fotoana izao ireto zava-mahadomelina ireto. fantatra moa izay tompony.
Nangonin'i




Soanierana-Ivongo
Olona telo navadiky ny lakana
Nisehoan-dozam-pifamoivoizana an-dranomasina indray ny alarobia alina teo, tokony ho tamin'ny folo ora, tao amin'ny faridranomasin'i Soanierana-Ivongo. Lakana kely iray nitondra lotisia sy mpandeha vitsivitsy no rendrika tamin'izany, tao akaikin'ny tanànan'Amboromahitsy ao anatin'ny kaominin'Antanifotsy.
Niainga tao amin'ny kaominin'Amboabe ilay lakana kely ary hitodi-doha hody any Soanierana-Ivongo izy izao tra-doza izao. Mbola ezaka ihany ny lalana diaviny amin'izany satria misy adim-pamantaranandro sahabo ho roa eo.
Tsy fantatra marina ny isan'ireo olona nentiny, fa ny hany re hatramin'izao dia ny fisian'olona telo izay tao anatiny nefa tsy hita popoka. Mpiasan'ny ivon-toeram-pikarohana iray any amin'iny faritra iny ny roa amin'izy ireo izay avy namita iraka tany amin'ny kaominin'Amboabe, raha ny fanazavana azo. Dia izao tra-doza izao. Ny iray kosa, raha ny vaovao azo ihany, dia mpanampy ny mpanamory an'ity lakana ity. Raha ny fanazavana nampi-tain'ny tao amin'ny zandari-mariam-pirenena dia ny tompon'ity lakana ity ihany no nitondra azy.
Samy miezaka manao ny fikarohana ireo tsy hita amin'izao fotoana izao na ny fokonolona na ny zandarimaria any an-toerana.




Fifamoivoizana
Mipetra-potsiny ny scooter-n'ny faritany
Mbola mandeha tsara avokoa ireo « scooter »-n'ny faritany teo aloha. Nefa miandry ny fotoana ampiasan'ny faritra azy.
Hidimpotsiny ao amin'ny garazin'ny faritany teo aloha ao Isotry amin'izao fotoana izao ireo moto « scooter » nampiasain'ny faritany teo aloha. Nentina nandrindra ny fifamoivoizana na ilay antsoina hoe « Secant » izy ireo. 23 ny isany ary ny 20 amin'ireo dia mbola mandeha avokoa.
Izany ny fanazavana nomen'ny talen'ny vaomiera « ad hoc », Ralevason Hary Tiana, izay natsangana manokana mba handinika akaiky ny fananan'ny faritany teo aloha sy ny famindrana azy ao amin'ny faritra. Noso-ritany fa efa tany amin'ny volana mey tany no efa nieritreritra ny fanomezana an'ireo fitaovana ireo ho an'ny faritra ny faritany amin'ny alalan'ity vaomiera manokana ity. Izany dia mba ho fitohizan'ny asa nampanaovina azy. Ary hatramin'izao dia mitohy ny asa sy ny dinika amin'ny fanatanterahana izany.
Nandany vola be
Nolazainy ihany koa fa vola be tokoa no lanin'ny faritany teo aloha amin'ny fampandehanana an'ireto fitaovana ireto. « Ny solika fotsiny no mahatratra hatrany amin'ny 500 000 ariary isan-kerinandro any », hoy izy. Nefa ny fitaovana tsy maintsy mila fikojakojana, eo koa ny saran'ny fiantohana, ny antontan-taratasy ampiasan' azy ireo... Izany hoe izay rehetra mikasika ny « Secant » dia ny faritany daholo no nizaka azy.
Ny vola ampidirin'izy ireo amin'ny asany anefa dia tsy mirotsaka any amin'ny faritany fa any anivon'ny kaominina avokoa, afa-tsy izay am-pahany raisin'ireo mpiasa manatanteraka ny asa.
Noho izany, mandra-piandry izay fotoana handrai-san'ny faritra ireo fitaovana ireo dia mihidy na mipetra-potsiny ao amin'ny garazy aloha izy ireo. Ireo polisy nitondra azy rahateo efa naverina any amin'ny toby nisy azy avokoa.
Raha mijery ny tsy firin-dran'ny fifamoivoizana amin'izao fotoana izao anefa dia ilaina tokoa ny fisian'ireo moto kely ireo.





Fitsarana
Fiara vaovao fito ho an'ny voafonja
Tsy hisy intsony ny fijalian' ny fitsarana amin'ny fitaterana ireo voafonja hiatrika ny fitsarana. Efa nampidirina ao anatin'ny teti-bolan'ny minisiteran'ny Fitsarana amin' ny 2009 ny fampandehanana ny fiara natokana ho an'ny voafonja. Ny minisitry ny Fitsarana Bakolalao Ramanandraibe no nanazava izany omaly, teny amin'ny fonjaben'Antanimora, tamin'ny fandraisana ireo fiarabe vaovao miisa fito. Fanomezana avy tamin'ny filohan'ny Repoblika izy ireto ary natao indrindra hanajana ny zon'ny voafonja, mba tsy hitondrana an-tongotra azy intsony, araka ny nambarany.




Ankizy very
Ombay mitady Onisoa
Tsy hita popoka hatramin'izao, nanomboka ny
8 novambra teo, Razafindramanitra Onisoa Olivia. Zazavavy 16 taona, mpianatra ao amin'ny kolejy Saint Joseph Mahamasina. Handeha hianatra no nivoahany ny trano tamin'io fotoana io, ary hatramin'izao tsy mbola niverina ao an-tranon-dray aman-dreniny.
Efa nanao ny fikarohana rehetra ny ray aman-dreniny, fa tsy nahita mangirana. Koa miangavy sy mila fanampiana amin'ireo izay olona mety mahafantatra na mahalala azy mba hiantso azy ireo amin'ny alalan'ny finday 032 44 571 70, na eny an-tranony, eny Anjanahary lot II N 66 GA. Na koa hampandre avy hatrany ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona eny Anosy.





Oram-be
Potika ny lalana eto Antananarivo
Saika ahitana fahapotehana avokoa amin'izao fotoanan'ny orana izao ny lalana eto an-drenivohitra. Feno lavaka migodana.
Manimba zavatra betsaka mihitsy ny oram-be amin' izao fotoam-pahavaratra izao. Tsy ny rindrim-bato sy ny trano mirodana ihany fa eo koa ny lalana potika. Raha ny lalana vita tara aloha amin'izao fotoana izao dia efa betsaka ny mikipaka, toy ny hita eny Ankorondrano sy Alarobia, ny eny Ambo-hibao... Ary dia eo indray no taraiky ny fiara ka mahatonga ny fifamoivozana hitohana.
Ankoatr'izay, eo koa ny fihotsahan'ny lalana. Ny lalana any amin'ny faritra avo mazàna no tena ahitana izany. Toy ny eny Ankadivato, nihotsaka ny tany avy ao ambany arabe, ary dia lavaka mangitsokitsoka no hita avy eo ambony. Raha misy fiara mirimorimo, tsy mahalala izany, dia raikitra ao. Raha tsy voavonjy haingana aza io dia ahiana ny hitarany eny afovoan'arabe.
Simba toa izany koa ny sisin-dalana. Ohatra ny eny Antanimena, ny sisin-dalana havanana raha miala eo amin'ny Eglizy katolika ka midina ho any amin'ny vavahadin'ny fianarana Esca. Mihotsaka ireo sisin-dalana amin'iny faritra iny ary dia lavaka be no tazana ao anatiny. Lavaka roa mihitsy no indray hita eny. Ny iray aza dia eo am-pototry ny andrin-jiro mihitsy.
Riaka nitera-davaka
Ny tohatohabato moa, raha ny hita amin'ny faritr'Ankaditapaka midina ho any Behoririka, dia tsy lazaina intsony. Vao mainka potika. Ny ranomaloto mitosaka avy tamin'ny fahavakisan'ny fantsona mitondra izany mbola nampian'ny riaka nisasasasa avy any Ankaditapaka dia vao mainka nanapotika an'ilay tohatohabato, niteraka lavaka. Ary dia babangoana be ny ao ambany tohatra izay efa mihilana sy mitady hihotsaka mihitsy aza. Raha misy kely foana dia ho tapaka mihitsy iny lalan-kely iny, ka tsy ho azo diavina.
Mikasika ny fahapotehan' ity tohatohabato ity, araka ny fokonolona sy ny tompon'andraikitry ny fokontany ao an-toerana, dia efa maro ny fitarainana nataon'izy ireo teny anivon'ny kaominina. Nefa tsy mbola nisy mihitsy ny fanamboarana, ka ho potika tanteraka ihany izy ity.
Hitombo ihany, araka izany, ny lalana ho amboarin' ny kaominina, raha ny an'Antananarivo renivohitra manokana no resahina, amin'izao fahapotehany vokatry ny firotsahan'ny orana izao.





Taratasin'ny mpamaky
Mampalahelo ny toy izao
Mbola nikasa ny hangina ihany ny tenako izay manoratra, manoloana ny korontana fantatro fa mitranga ao amin'ny fiangonana FJKM Anosipatrana, izay fiangonana nibeazako, nitaiza ny fahazazako sy ny hatanorako, ary nitaizako ankizy sy tanora ihany koa. Kanefa matoa mitsikafona eran'ny gazety marobe izany, nanomboka tao amin'ny TRIBUNE, 13/10/2008 ary nitohy tamina gazety samihafa koa ny 14/10/2008, dia efa mihoatra fefiloha toy ny tondra-drano ny raharaha, ka tsy haiko hojerem-potsiny toy ny tany nahalavoana, fa tiako ho fantatra ny marina.
Namoaka «didim-pitsarana» ny SPAA 10 tamin'ny sabotsy 3 mai 2008 lasa teo, araka ny voalazan'ny gazety, nandroaka ny mpitandrina am-perinasa, tsy hitondra ny Fiangonana FJKM Anosipatrana intsony.
Fanontaniana maromaro no apetrako am-pahibemaso aminareo tompon'andraikitra ao amin'ny SPAA, ary angatahako valin-teny mazava sy mangarahara, tompoko.
1 - Iza, ary tonony mazava ny aranan'ireo olona nitory ny mpitandrina am-perinasa, satria rariny raha fantatry mpiangona rehetra ny mpitory.
2 - Inona, ary ambarao mazava ny anton'ny fitoriana io mpitandrina io, satria rariny raha fantatry ny mpiangona rehetra ny heloka iampangana azy.
3 - Inona, ary porofoy mazava, ny fanadihadiana nataon'ny SPAA mbamin'ny vokatr'izany, ka nahazoanareo nanameloka sy nanala io mpitandrina io.
4 - Oviana, ary anehoy tatitra aman-draki-tsoratra, no nanomezanareo alalana io mpitandrina io hifanazava taminareo «mpanameloka» azy, satria zon'ny voampanga ny miaro tena.
5 - Inona, ary voarakitra aiza ao amin'ny lalàna mifehy ny FJKM ny heloka vitan'io mpitandrina io.
6 - Mahafapo sy mahafaly anareo ve izao zava-miseho ankehitriny izao.
Marina, tompoko, fa efa tsy anisan'ny mpiangona ao Anosipatrana intsony ny tenako, kanefa amin'ny maha zanaka am-pielezana ahy dia mahatsiaro tena ho zanak'io fiangonana nikelezan'ny raiko aman-dreniko aina ary notompoin'ny iray tampo amiko io aho, ka tsy manaiky hijery fotsiny na hangina eo anoloan'izay heveriko ho tsy rariny, satria ataoko antom-pahavelomako ny tolona hampijoroana ny Marina sy ny Hitsiny ety an-tany. Raha voaporofonareo kosa fa rariny ny ataonareo, dia hanohana anareo aho.
Tsy ianareo lohan'ny mpisorona no ampahatsiahiviko ny tenin'ny Soratra Masina, satria hainareo tsianjery avokoa izany. Kanefa toa tsy tsapa na hitanay olon-tsotra ny fampiharanareo eo amin'ny fihetsikareo andavanandro na eo amin'ny fanapahan-kevitra raisinareo ny fampianarana ao anatiny. Lozan'izay iavian'ny fahatafintohinana !
Hoy ny loholona iray tao Anosipatrana, raha nitranga izao raharaha izao : «Mahatsiaro menatra noho ny maha FJKM ahy aho... Tsy izay ho mpitandrina no olana, fa ny fampisaraham-bazana sy ny fampirafesana ny olon'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana no mampalahelo». Inoako fa raha mbola velona teto izy, dia ho nanao izay tratry ny heriny handravonana sy hampihavanana. Indrisy anefa, nentiny maty izany alahelom-pony izany, satria nindaosin'ny fahafatesana vao tsy ela akory izy.
Raha tsy afaka manazava am-pahibemaso ny anton'ny nanamelohana io mpitandrina io ka nanaiky ho fitaovan'olom-bitsy hanesorana amin'ny fomba jadona ny mpitandrina am-perinasa ny SPAA 10, dia tompon'andraikitra voalohany amin'ny fisavorovoroana aman'alahelo ao am-pon'ny mpino.
Voahirana Rakotoarimanana




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Omby 15 hita. Vala be iray any anaty kirihitr'ala, efa tsy misy mampiasa intsony, ao amin'ny kaominin'Andriba, izany hoe ao Ambatovaky, fokontanin'i Tsaramaraina, no nahatraran'ny zandary omby miisa 15. Misy marika LIS ny telo amin'izy ireo fa ny 12 kosa dia tsy misy izany. Tsy fantatra ny tompon'ny omby. Nohazonina avokoa moa ireo omby ireo ary eo am-pikarohana ireo dahalo nangalatra izany ny zandary.
Rongony tratra. Fototra rongony miisa 180 sy vovo-drongony milanja 10 grama no indray saron'ny zandary tao amin'ny Cité ouvrière ao Antsiranana, ny zoma lasa teo. Nandritra ny hetsika nisafoana ny tanàna sy nanenjehana ireo olon-dratsy mpanao fanafihana amin'iny faritra iny no nahatrarana azy ireto. Olona efatra no voarohirohy tamin'izany.
Lehilahy iray natelin'ny rano. Roalahy nitondra saribao tamin'ny lakana, niampita ny farihin'i Mantasoa, no indray dobo an-drano, ny asabotsy antoandro teo. Avotra ny iray fa ny faharoa no rendrika. Voalaza fa ankoatra ny haratsian'ny andro tamin'io fotoana io dia nanampy ny fiavian'ny loza ny havesaran'ny saribao nentin'izy ireo.
Nangonin'i




Antalaha
Olona telo voapoizin'ny trondro kely
Tsy maintsy naiditra hopitaly tao Antalaha haingana ireo olona telo indray voapoizin'ny trondro karapapaka tany an-toerana, ny zoma teo. Trondro nora-toina tany an-dranomasina ireto trondro kely ireto, ary namidy teny an-tsena. Nividy izany hatao laoka izy ireo. Kanjo aretina no hitany. Soa fa avotra soa aman-tsara avokoa izy rehetra ary efa nivoaka ny hopitaly.
Raha ny fanazavan'ny mpitsabo dia ny vanim-potoanan'ny orana sy ny hafanana toy izao no tena ilam-pitandremana amin'ny fihinanana an'ireny hazan-dranomasina ireny.
Maniry miroborobo fatratra mantsy ny ahidrano any anaty ranomasina eo, ka mihinana azy ny trondro. Misy poizina anefa amin'ireny ahidrano ireny (ciguatera) izay tsy zakan'ny vatan'ny olombelona, sy ny biby sasany ety an-tanety. Ary izay no mamoa-doza ho an'ireo izay mihinana azy.
Efa nandray fepetra amin'ny fandrarana ny fanjonoana sy ny fivarotana an'ireny trondro kely ireny moa amin'izao fotoana izao ny tompon'andraikitra any an-toerana.




Faritra iva
Mihandrona ny loto sy ny rano
Rano mihandrona sy fako isan-karazany no saika hita amin'ny faritra iva. Araraotin'ny sasany hanariana ny maloto avy any an-tranony izany.
Tsy mbola misy atahorana akory, na dia mirotsaka saika isan'andro aza ny orana, ny fisian'ny rano be mikoriana eny amin'ireny faritra iva ireny. Ny zava-misy kosa anefa etsy andaniny dia ny fisian'ny rano mihandrona sy loto isan-karazany, toy izay hita eny amin'ny faritr'Anatihazo Isotry. Fefika mihitsy ny lakan-drano kely fivarinan'ny rano maloto avy any amin'ny isan-tokantrano. Ary misy amin'ny faritra sasany aza efa mihahaka eny amin'ny làlana mihitsy.
« Ny tena manafintohina amin'izy ity, dia izy anarian'ny sasany ny diky avy any aminy any vao maraina. Ny rano tsy afaka, ny loto manampy trotraka. Tsy laitra iainana, araka izany, ny fofon-dratsy aterany », hoy ity renim-pianakaviana monina amin'iny faritra iny. « Vao mivoha ny varavarankely ny maraina dia efa fofona maloto no re », hoy koa Rasoa mpantsaka rano, nanampy.
Valan'aretina
Nambaran'ireo mponina eny an-toerana fa manana lavapiringa ihany ny olona. Saingy tsizarizary ka rehefa tonga ny fotoanan'ny orana toy izao dia feno rano izy ireny. Dia eny amin'ireny lakan-drano kely ireny izy no manary ny malotony.
Misy kianja lehibe iray fanaovan'ny tanora fanatan-jahantena antsoina hoe « kianja mainty » ao amin'ity toerana ity. Fa dia rano mihandrona sy loto ihany koa sisa no hita eo aminy amin' izao fotoana izao, hatramin' izay nirotsahan'ny orana izay. « Ao mihitsy ny olona sasany no manararaotra manary fako. Efa mba nisy nanadio aza izy io fa teo aloha, niavosa ny fako tao. Zara raha nisy nodiavin'ny tongotra », hoy ireo mponina manodidina.
Ny ahiana amin'ny tarehin-javatra toy itony mantsy, ankoatra ny moka isan-karazany izay mitondra tazo, dia ny hihanahan'ny valan' aretina raha tsy misy ny fandraisan'ny tompon' andraikitra an-tanana azy haingana.
Ny voalavo koa dia tena atahorana, satria mampirongatra ny pesta, indrindra amin'ny vanim-potoana toy izao.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Voafonja tsy fidiny. Fahafahana avy hatrany no nomen'ny fitsarana ireo dimy lahy voarohirohy namaky tranon'olona teny Namehana, ny volana marsa teo. Hafaliana ny azy ireo sy ny fianakaviany raha nandre ny didim-pitsarana. Ny iray tamin'izy dimy lahy anefa marihina fa nihiboka tany am-ponja nandritra ny valo volana.
Nangataka fampikambanan-tsazy i Djaffar. Neken'ny Fitsarana heloka bevava, omaly, ny fangatahana fampikambanan-tsazy nataon'i Djaffar. Araka izany dia ilay sazy farany ambony, 15 taona an-tranomaizina, no ho efainy. Karazan-tsazy efatra samihafa no azon'i Djaffar ary marihina fa resaka fakana an-keriny avokoa izy ireo.
Tapa-tanana ilay mpitondra moto. Niala an'ilay fiara teo alohany izay nivily tampoka no nataon'ilay mpitondra moto teny Ambohibao, afak'omaly. Nefa dia izy no nasosan'ilay moto notaingenany. Tsy nahafikitra noho ny fahalaman'ny lalana ny kodiarana. Tapaka ny tanany ka nentina namonjy hopitaly izy.
Nangonin'i




Ambohibao
Ady lalana niantsoana zandary
Raha tsy nirotsaka an-tsehatra teny Amboaroy, kaominin'Ambohibao Antehiroka ny zandary sy ny kaominina nandamina, dia asa izay nitranga teny, omaly. Ady tany, raha ny marina ady lalana, eo amin'ireo olon-droa mpiray tanàna no fotony, Rasoanoromalala Bodonirina ankilany ary R. N. andaniny. Velona ny tabataba sy ny saritaka.
Nisy mihitsy fanapotehana asa vita, fefy, izay nambaran'ny tompon'ny fefy, Rasoanoromalala, fa efa nanaovany fangatahana tany amin'ny kaominina ny fanatanterahana azy. Narodana izany ny andrin'ny fefy sy ny biriky narafitra teo aminy. Niparitaka teny amin'ny sisin-dalana.
Ho an'i R.N. kosa, izay nilaza fa nanapotika ny fefy, dia nosoritany fa ny sakana tamin'ny lalana tsy hahafahan'ny fiara mivezivezy no narodany. Nambarany fa lonilonim-piarahamonina no antony nanitarana ny fefy satria nisy fifanarahana natao.
Ho hita eo moa ny tohiny, satria nilaza ny tompon'ny zavatra simba fa hampiakatra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana.




Ampitatafika
Marotaina nahadobo an-drano raim-pianakaviana
Ny ain'ity raim-pianakaviana no nanaraka. Dobo tao anaty rano izy raha hanavotra marotaina nentin'ny rano.
Hanavotra marotaina mivady no niroboan'ity raim-pianakaviana, Emilson tao amin'ny reniranon'i Sisaony. Teny Ampitatafika, fokontanin'i Loharanombato, kaominin'Ambavahaditokana, omaly maraina izany no niseho. Kanjo dia izy no dobo an-drano tao. « Toy ny nilentika tampoka izy, dia nipoitra indray mandeha, dia izay ! Mbola nahantso vonjy ihany izy raha nipoitra kely iny », hoy Ra-Mariette, renim-pianakaviana nandraoka fasika teo an-toerana, nahita maso ny filentehan'i Emilson. Zaza aman-behivavy daholo no teo amin'ny manodidina ka tsy nisy afaka nanavotra azy.
Zaza amam-behivavy
Nambaran'ireo fokonolona teny an-toerana fa feno lavadavaka avy nakana biriky ny sisin'ny renirano. Ka izay no mety ho voahitsany ka nampilentika azy. « Telo metatra tsy hahatongavany teny amorony izy vao nilentika. Tsy nilomano intsony izy teo fa nandeha tongotra tao anaty rano ka tamin'izay no nahitsahany lavaka », hoy ihany Ra-Mariette.
Marotaina roa latsaka tao anaty rano, raha ny fanazavan'ireo olona teo an-toerana, no novonjen'i Emilson tamin'io fotoana io. Ny iray tamy nanatona azy teny amorona ka tsy niroboka rano lavitra akory izy dia azony iny. Haka ilay faharoa izay somary nosarangotin'ny roatrandrano izy io tra-doza io. « Nalàny ny akanjony ary nilomano izy naka azy tany anaty rano », hoy ihany ireo olona teo an-toerana.
Nahita ny faharendrehany teo an-toerana ihany koa ny vady aman-janak'ity raim-pianakaviana ity, Herline Rasoazanakolona sy ireo zanany kely telo, izay zaza vao tapa-bolana ny farany. Saingy tsy afa-nanoatra.
Avy any Fandriana izy mianakavy ireto. Saingy maitso ahitra ny any izao ka tonga eto an-drenivohitra izy ireo nitady asa. « Mikarama mitaom-biriky no asa nataony teto efa ho telo volana teo izay », hoy ny sefo fokontany, Rakotoarinia Elia Mamison, izay nanentana ny fokonolona mba hanao fitia tsy mba hetra hanampiana ny vady aman-janany.
Efa tonga teny an-toerana nikaroka ny razana ny mpamonjy voina, omaly. Saingy tsy nahita ary ny zana-drano indray no nalain'izy ireo nikaroka azy.





Miala baroa dia jadona
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
HAHAGAGA VE. Efa am-polon-taona no natao parking ho an'ny fiaran'ny olona manodidina ny toby miaramila etsy Fiadanana sy Soanierana. Lasa ny eritreritra tamin'ireny : mba misy fisavana hentitra ve ny fiara ampandriana anaty toby miaramila sao sanatria ka itoerana baomba na fieran-jiolahy ? Jereo ny polisy sy «sécurité» ampiasain'ny masoivoho amerikana etsy Antsahavola : baranahiny tanteraka ny toby miaramila eto amintsika raha oharina amin'ireny. Hahagaga ve raha misy bala manjavona, basy misy mindrana, «lance-roquette» mifindrafindra tanana ? Lasa saina ihany koa ny tena mahita ny fomba filanjan'ny polisy sy miaramila sasany ny basy omena azy eny an-dalana : na fitafy, na fijoro, na fihetsika dia tsy «professionnel» mihitsy raha miohatra amin'izay fahita ataon'ny tafika amerikana na frantsay fotsiny aza. Hay, vao haingana no nanapahana hevitra hamoahana ivelan'ny toby ireny fiaran'olon-tsotra ampandriana alina tao ireny : lasa parking indray koa ankehitriny ilay kianja malalaka ampitan'ny toby RTS etsy Fiadanana.
KITOATOA. Raha tsy eto amintsika angamba tsy misy rindrina mihotsaka alohan'ny fahazoana alalana hanangana azy. Olona valo mianaka no tototra tao ambany fotaka sy vato. Ny iray zazakely vao herinandro maty teny an-tratran-dreniny. Ilay zaza efa mianatra, ny kahie no teny an-tratrany nialany aina. Fianakaviana sahirana mipetraka anaty trano bongo moa no niharan-doza ka angamba ho moramoraina ny raharaha. Asa, andrasana hisy loza impiry tahaka izao vao hiala amin'ny kitoatoa isan'ambaratonga ny Gasy. Ny zara fa vita, ny sitrany ahay, sy ny fifanarahana madinidinika handikana vilana ny fepetra sy hiadiana varotra amin'ny laoniny.
MALOTO. Miavosa indray ny fako eran'Antananarivo. Ny orana anefa avy. Rehefa tsy maimbo ampy ny tanana dia maimbo lo. Tsy afa-tsy izany koa ireto daba-pako : raha ny tokony ho izy, hitaomana ny fako ho eny Andralanitra izy ireny fa tsy nokasaina hanariana ny fako mandavan-taona. Daba tsy misarona, sakafo mivelatra ho an'ny lalimanga, nefa ny mpivaro-mandeha efa za-dratsy mamelatra irony hani-masaka tsy misarona irony, ny hena ihany koa eny ambony akalana tsy misy arony : hena tsy tian'ny Vazaha iorehana ary tsy tafiditra any Eoropa noho ny fahavoretrana amin'ny fikarakarana azy (apetraka amin'ny tany, babena an-damosina feno hatsembohana, taomina amin'ny posy vao nialan'ny sobikan'anandrano sa biriky sa kitapon-tsaribo). Aretina tadiavina mihitsy ny antsika. Manginy fotsiny ny fako vao noraofina teo, afafin'ny fiaran'ny Fivondronana indray eran'ny lalana mandra-pahatongany any Andralanitra. Tsy misy jiro moa ny Tanana ka dia antoandrobenanahary no miditra «embouteillages» ny fiara mpitaona maloto sy mpitatitra fako : fofona tsy fofona intsony nefa toa tsy dia mampiraika itony vahoaka zatra manditsaka eran'ny vody rindrina na manisin-delo amin'ny tanana na mandrehoka eran'ny arabe. Maloto fomba, voretra fiaina.
Ny tena mahasorena dia hoe izany olona izany dia manana kara-pifidianana... Dia ohatran'ny tsy mahagaga loatra intsony koa, satria tsy mendrika demokrasia ny baranahiny sy ny kitoatoa ary ny loto, raha miala Baroa dia jadona ny Gasy.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Jiolahy nanafika orinasa. Lelavola mitentina 60 000 000 ariary no indray norobain'ny jiolahy nirongo fiadiana tao amin'ny orinasa Tanora mpanangom-bokatra ao Ambanja, ny alin'ny alatsinainy hifoha talata. Jiolahy dimy no indray niditra an-keriny tao amin'ny orinasa tamin'izany. Soa fa tratry ny polisy teo amin'ny sakana tao Sangaloaka izy ireo niaraka tamin'ny fiara 4L nentiny. Ny vola be nangalariny moa efa tsy hita teny amin'izy ireo intsony.
Gony feno taolam-paty. Taolam-pe an'olon-dehibe roa, taolan-dranjo efatra, taolan-jaza telo ary taolan-tsy fantatra fohifohy iray no indray hita tao anaty gony tao akaikin'ny lycée Antaninarenina ao Toliara, ny 24 novambra. Tsy fantatra izay olona nametraka azy teo fa ireo taolana tao anaty gony no nanaitra ny mpandalo. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Nangonin'i




Tsaralalana
Fiara raikitra tanaty fotaka
Taxi-be iray, afak'omaly hariva, no raikitra tsy afa-nandeha tao Tsaralalàna, teo akaikin'ny paositra. Nandoaka lalana, nanamboatra fantsona tany ambanin'ny tany, teo amin'io toerana io mantsy tamin'io fotoana io ny orinasa Jirama. Tsy mbola voatampina tsara ilay lalana na dia vita aza ny asan'izy ireo, fa nototofana fotsiny tamin'ny tany noesorina tao anatiny tao.
Fotaka nandrevo tsy hita hodiavina, araka izany, ny teo amin'ny faritr'ilay lavaka nataon'ireo mpiasa.
Asa anefa, raha efa azo handehanana teo ambonin'ilay lavaka na tsia, satria tsy nisy takela-by nilaza ny fahatapahan'ny lalana teo, ary dia nisy taxi-be iray nandalo teo. Somary naka sisiny izay izy. Kanjo sendra lavaka ary dia raikitra tao ny kodiarana tao aoriana avy ao ankavanana.
Vatan-dehilahy maro teo an-toerana no indray nisintona nisikotra azy tao vao afaka ilay fiara.




Fikarohana olona dobo an-drano
Manana ny maha izy azy ny zana-drano
Ankoatra ny mpamonjy voina dia misy ireo zana-drano manana talenta manokana amin'ny fikarohana ireny olona dobo an-drano ireny. Anisan'ireny izy telolahy eny Ampitatafika.
Dobo an-drano teny Androvakely-Loharanombato amin'iny faritra Ampitatafika iny Emilson. Ny zana-drano no nahita sy nampiakatra ny fatin'ity raim-pianakaviana ity. « Folo minitra monja taorian'ny nidinanay tao anaty rano no nahitànay azy », hoy Ra-Jhony, iray amin'ireo telolahy tonga teny an-toerana.
Manana ny maha izy azy tokoa, araka izany, ny zana-drano amin'ny fikarohana sy famonjena olona dobo an-drano, ankoatra ny mpamonjy voina. «Karazana talenta manokana mipetraka aminay ilay izy. Tsy lova satria ny ray aman-dreninay tsy nisy nanao izany, fa dia talenta toy ny tonga ho azy », hoy Ra-Johny sy Naina ary Tojo, samy zana-drano.
Ho an'i Ra-Johny manokana raha ny fanazavany, dia toy ny taritin-javatra izany izy rehefa mikaroka olona dobo an-drano. Ary izay no arahiny hikarohana ilay olona.
Manaraka fombafomba
Tsy manana fitaovana àry fomba toy izay ananan'ny mpamonjy voina ny zana-drano raha manatanteraka ny asany, fa dia ny vata-tenany ihany. « Ny fomba-fomba toy ny fitondrana na fandrarahana toaka, tantely, vatomamy, fotsim-bary madio... no tsy maintsy ataonay mialoha ny hiditra ao anaty rano. Satria ny rano rehetra misy lolo daholo ka izay no tsy maintsy tandrovina », hoy i Naina.
« Tsy nisy nanoro an'izay zavatra izay izahay fa toy ny fomban-drazana rehetra ihany io, ohatra ny fandra-rahana toaka ny fiara rehefa handeha handevina », hoy kosa indray i Tojo nanamafy.
Raha ny fanazavan'izy telolahy dia tonga hatrany amin'ny faritany rehetra any. « Misy miantso izahay dia lasa mandeha », hoy izy. Nosoritany fa tsy mikarama izy ireo amin'izany fa manao asa an-tsitrapo. Saingy izay fianakaviana manana ny voina no mba manome kely izay foiny.
« Roapolo taona teo izao no efa nanaovako an'ity asan'ny zana-drano ity. », hoy i Naina. Izy mantsy no efa tena kalaza amin'ity raharaha ity raha miohatra amin'ireo namany roalahy. Tsy latsaka ny 90 tny olona efa novonjeny. Mpibata entana no tena asan'izy ireo andavan'andro.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Gadra nitsoaka nitolo-tena. Gadra nitsoaka iray aloha hatramin'izao no fantatra fa efa tafaverina ao amin'ny fonjan'Ambositra tamin'ny fahavakisan'ny fonja, ny 24 novambra teo. Nitolo-tena tany amin'ny zandary tao Ambovombe afovoany izy io ka avy hatrany dia nakarina tao Ambositra, naverina any am-ponja.
Raim-pianakaviana maty kilan'ny afo. Efa tafavoaka tety an-tokotany no niverina hamonjy ny zafikeliny tao amin'ilay trano may ity raim-pianakaviana ity no nokilain'ny afo. Nianjeran'ny trano izy ary dia nataon' ny afo hotohoto. Ilay zafikely saika novonjeny anefa efa tafavoaka tety ivelany raha vantany vao niseho ny hain-trano. Tao Ambilobe, tao amin'ny faritra antsoina hoe Laidama, no nisehoan'izany, ny alatsinainy alina teo.
Mpiasa tanimbary maty notsindrian'ny fiara. Fiara niharan-dozam-pifamoivoizana, nivoaka ny làlana, tamin'iny lalam-pirenena fahefatra iny, tao Antanifotsy, no nitontona avy hatrany teo ambonin'ilay raim-pianakaviana variana niasa tanimbary. Voatsindry tao ilay rangahy ka maty. Vehivavy no nitondra an'ilay fiara ary naratra izy ka voatery nentina tany amin'ny hopitaly.
Nangonin'i




Farihin'Anosy
Mpanarato amin'ny andro antoandro
Efa tsy manan-tahotra intsony raha ireo tontakely manarato eny amin'ny farihin' Anosy. Amin'ny antoandro benanahary mihitsy mantsy ry zalahy no mirotsaka manao izany. Ny mahafetsy azy dia tsy avy aty amin'ny faritra atsinanana sy andrefana izay be olona mivezivezy sy taza-maso izy no mamelatra ny haratony fa ao atsimo, ambadiky ny Anjely mainty ao. Ary tsy ela fa eo amin'ny roa na telo minitra ihany dia miverina eny an-tanety. Toy ny tselatra ny firobohany ny rano, anipazany sy amelarany ny haratony. Telo lahy no tazana manao izany.
Ny manodidina moa tsy misy sahy miteny fa dia mitazam-potsiny satria anaovan-dry zalahy fandrahonana, ka dia manakombom-bava. Ny polisy ihany raha tonga eny an-toerana mijery azy, dia tsy mahita na inona na inona satria toy ireny olona mitsantsangana eny amin'ny Anjely mainty ry zalahy.
Tsy ho ary asiana polisy miambina isan'andro anefa eny amin'iny toerana iny. Ny aza voafitaky ny trondro maloto ihany raha hividy izany eto an-drenivohitra.




Tsy firaharahiana
Lavaka lasa fanariam-pako
Tsy hita intsony izay maha izy azy an'ireny lavaky ny orinasa samihafa eny amin'ny sisin-dalana ireny fa lasa fanariam-pako.
Asa raha hakamoana na tsy firaharahiana fananam-bahoaka tsotr'izao no ataon'ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy tahotra tsy henatra izy ireo dia manary fako eny amin'ireny lavaka eny an-dalana ireny. Latsaka ambany ny daba fanariam-pako satria na baoritra fonon-javatra, na bozaka sarona voankazo, na hodin-javatra, eny fa hatramin'ny sobika haravola fitondrana entana aza dia hitan'ireo mpivarotra asisika ao anatin'ireny lavaka ireny avokoa.
Hita izany eny amin'ny faritr'Ambatonakanga miakatra ho any amin'ny CITE iny. Saika hodim-boankazo sy vodin-tsobika no hita ao anaty lavaky ny orinasa Telma ao. Toy izany ihany koa raha midina eny Anosy eo anoloan'ny tranoben' ny Statistiques eo. Fonon-javatra sy hodim-boankazo ihany koa no mameno ny lavaky ny orinasa Telma ihany.
Mbola ho ela isika
Saika tsy misy sarony intsony mantsy ireny lavaka ireny amin'izao fotoana izao, noho ny afitsok'ireo mpangalatra. Dia izay no araraotina hanariana fako ao anatiny.
Tsy vao izao no nahata-rafana izany fako ao anaty lavaka eny an-tsisin-dalana izany. Ary dia hita tsotra izao fa fanahy iniana, malain-kisahirana hanary fako eny amin'ny daba. Raha ny eo Anosy eo mantsy, tsy misy firy metatra akory dia efa misy dabam-pako, fa eo amin'ilay lavaka an-tsisin-dalana ihany ireo mpivarotra no manary ny fakony. Saika miavosa koa moa amin'izao fotoana izao ny fako eny amin'ny dabam-pako rehetra eto an-drenivohitra.
Ankoatra ny mpivarotra amoron-dalana dia ny mpan-deha an-tongotra koa no manao ny ataony. Marina fa misy ny mpiasan'ny kaominina manadio ny làlana isan'andro. Na izany aza, ny fahadiovana tokony ho tandrovin'ny rehetra.
Mbola ho ela mihitsy isika vao hiova sy ho tafavoaka raha ny amin'ireny fanajana fananam-bahoaka ireny no resahina.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zazavao nitsoaka ny toby. Zazavao 30 lahy eo no nitsoaka ny toby miaramilan'ny 2e RFI tao Antsiranana, ny 26 novambra teo. Tsy naharitra ela ny fikarohana, fa iray andro monja taorian'ny nitsoahany, dia niverina an-tsitrapo namonjy ny toby niasany avokoa izy ireo. Voalaza fa noho ny tahotra ny fitsapana atao eo amin'ny fanabeazana ara-miaramila no antony nahatonga azy ireo nandositra.
Omby 38 avotra. Fanarahan-dia an'ireo dahalo nangalatr'omby tao Ambarinanahary, ao anatin'ny kaominin'i Bemarivo no anton-dian'ireo fokonolona sy zandary tany an-toerana. Nefa dia dahalo nandraoka omby halatra 28 no nifanehatra tamin'izy ireo. Nisy ny fifanjevoana ary lasa nitsoaka ireo dahalo. Azo avokoa ireo omby 28 sy ireo omby folo nangalarin'ireo dahalo hafa tao Ambarinanahary.
Renim-pianakaviana maty voatifitra. Ny bala nitrobaka teo amin'ny kibon' ilay renim-pianakaviana notafihin'ny jiolahy no nahafaty azy. Teny Ambohimanarina ao amin'ny fokontanin'Ambohimiadana avaratra, ny asabotsy alina teo. Voatifitra tamin'io fotoana io ihany koa ny vadiny, voa teo amin'ny sorony ary mbola tsaboina any amin'ny hopitaly.
Nangonin'i




Fikarohana
Fanoitra ny teny sy ny soratra.
Azo ampiharina amin'ny sehatry ny asa fampandrosoana ny teny sy ny soratra malagasy. Izay raha fehezina ny votoatin'ny fampirantiana sy ny dinika an-databatra boribory notontosain'ny departemantan'ny teny aman-tsoratra malagasy (Oniversiten'Antananarivo), tao amin'ny Cemdlac (Galerie 6 teo aloha) Analakely, ny zoma sy ny asabotsy teo. Ny Ivon-toeran'ny teny sy ny arika ary ny zavatra sy ny olona malagasy (Itazoma), miaraka amin'ny Seradika, ao anivon'ny departemantan'ny vinanin-taranja, no tompo-marika tamin'ny hetsika.
Nosoritan'ny profesora Raharinirina Rabaovolona, mpampianatra-mpikaroka ao anatin'ny komity mikarakara an'ity hetsika ity mantsy fa betsaka ireo fikaonan-doha ikarohana vahaolana amin'ny fampivoarana ny firenena hatao eto amintsika, amin'ny lafiny maro. Nefa dia amin'ny fiteny vahiny no entina hanehoana izany. Ny olona voakasiky ny raharaha sy ny sehatra ivantanany anefa dia ny malagasy. Hany ka mandringa ny fampitàna izany.
« Izany indrindra no antony hanehoanay ny voka-pikarohana samihafa izay mipaka any anivon'ny sehatra samihafa any » hoy ihany izy.




Lozam-pifamoivoizana
Mpilalao baolina iray maty nofaohin'ny fiara.
Tsy tra-bonjy ilay tovolahy nofaohin'ny fiara teny Ambodihady, omaly antoandro. Ilay fiara moa nivadibadika tany an-tanimbary.
Nifaoka mpilalao baolina iray, Randriamboavonjy Emile Hajasoa (27 taona), ilay fiara minibus nentina lehilahy iray, nialohan'ny nisidinany sy nivadibadihany tany an-tanimbary. Lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambodihady tamin'iny lalana digue iny izany, omaly antoandro tokony ho tamin'ny iray ora sy sasany teo.
« Tsy hitanay izay nifaohany an'i Haja. Ilay fiara nisidina sy nivadibadika aloha no tena tazanay sy nanaitra anay, ka nahatonga ny resakay efa-dahy hoe ahoana koa iny fiara nivadibadika iny. Kanjo rehefa tena tafajanona, nitontona tany anaty tanimbary ilay fiara, dia i Haja no tazanay teo alohany. Izay izahay vao nikoropaka namonjy azy », hoy i Avotra, zokin'ity niharam-boina.
Avy tany aoriana
Avy nanao baolina teny Antanimenabe teny amin'ny digue ireto tovolahy ireto tamin'io fotoana io ary handeha hody eo Ambodimita, raha ny fanazavan'i Avotra. Dimy lahy izy no niaraka ka i Haja no taty amin'ny sisiny manakaiky ny arabe.
Avy tany aorianany tany, toy ny handeha ho any Ivato, ilay fiara minibus. Ka izay no tsy nahitan'izy ireo ny fandehany. Fa izy efa nivadibadika teny an-tanimbary iny vao hitany.
Sahabo ho 20 metatra miala ny toerana nisy azy ireo teny amin'ny arabe i Haja no nipitika. Ilay fiara kosa, raha ny fanazavan'ireo namany, tany amin'ny 70 metatra tany vao tafajanona.
Raha ny fanazavan'i Alexis, mponina eny amin'iny faritra iny izay nilaza ho nahita maso ny zava-nitranga, dia nambarany fa nandeha mafy tokoa ilay mpamilin'ilay fiara minibus. « Hitako tsara ny nifaohany an'ilay tovolahy mpanao baolina io. Nihaza-kazaka aho nijery, ary izy efa novonjen'ireo namany no tratrako », hoy izy.
« Ilay mpamily fiara sisa no tratrako teo. Efa tafavoaka ny fiarany izy tamin'io ary nilon-drano tao, tsy tafarina intsony. Nilaza ho tsy maninona izy raha nanontanianay ary ny teniny farany dia ny hoe ity aotomibiliko! Dia tsy nety niresaka intsony izy », hoy ihany i Alexis.
Naratra ihany anefa izy, raha ny fanazavan'ireo fokonolona ary nentina any amin'ny hopitaly.





Concert
Maestria présente Opéra de légende
«Choeur et opéra de légende». C'est le titre du concert que la chorale Maestria donnera au Carlton, ce mercredi 3 décembre à 19 h 30. Formé en juin 2008, Maestria est à sa toute première prestation en public.
Le groupe est composé d'une part des élèves de l'Anglican music Institute (AMI), sis à Ambodifilao, et d'autre part de simples amateurs de musique classique, d'une moyenne d'âge de 25 ans.
Toutefois, «nous sommes tous dotés d'une expérience conséquente en matière de musique et de chants. Ce qui a permis de réaliser ce projet en peu de temps», mentionne Rindra Ramarosandratana, membre de Maestria.
Ce choeur de 20 personnes est dirigé par l'enseignant en musique Richard Zafindrakoto Rasolonjatovo et l'enseignante vocale Lalatiana Robline, tous deux formés au même institut.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Zandary voatana am-ponja. Menaka rongony 16 litatra sarona teny amin'ny 67ha tamin'iny herinandro iny no nahavoarohirohy ity zandary iray. Olona telo, ankoatran'ity zandary ity no voarohirohy ary dia indray voatana am-ponja daholo.




Itaosy
Mpamily nitsoaka ny loza nataony
Hadalana bevava no nataon'ity mpamily fiara mpitatitra iray, zotra 133, tamin'ny faritr'Itaosy, ny alahady alina teo. Olona telo sy fiara iray no nofaohiny. Maty ny iray tamin'izy ireo nefa lasa nitsoaka izy.
Voarain'ny fokonolona anefa ny nomeraon'ny fiara. Ary raha tonga ny mpitandro ny filaminana haka azy tany anaty garazy nanaterany ny fiara dia mbola vitany ihany ny nandositra. Nihanika tamboho ary nirifatra.
Soa fa nisy ny fiaraha-miasan'ireo mpitandro ny filaminana tamin'ny mpampiasa azy sy ireo mpiara-miasa aminy ka tsy sarotra ny nisambotra azy. Omaly maraina, araka izany, ranamana vao voasambotra.
Raha tokony ho heloka iray no zakainy dia lasa heloka roa noho ny tsy fieritreretana tamin'ny kely foana.




Zandarimaria
Niakatra kolonely Rakotonandrasana Frédéric
Lanonana ara-miaramila tsotsotra, omaly, no notontosaina teny amin'ny hotely Relais de La haute ville teny Ambohijatovo. Napetaka tamin'io fotoana io mantsy ny laharam-boninahitra kolonely feno azon'i Frédéric Rakotonandrasana, komandin' ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria eto Analamanga.
Ny 1 marsa 1982 ny kolonely Frédéric Rakotonandrasana no niditra teo amin'ny sehatry ny zandarimariam-pirenena. Tao amin'ny sekolin'ny zandarimariam-pirenena tany Ambositra no nanombohany izany. Zandary mpiofana no girady nisalorany tamin'izany raha vao nivoaka tao izy. Niatrika fifaninanana tao amin'ny akademiam-pirenena tao Antsirabe izy herintaona taorian'io. Afaka tamin'izany ary nandranto fianarana tao nandritra ny telo taona. Ny taona 1986 izy no nivoaka tao, tamin'ny andiany faha-15 nitondra ny anaran'ny jeneraly Ramanantsoa.
Andraikitra maro, araka izany no efa notanany teo anivon'ny zandarimaria nanomboka teo, nialoha ny naha komandin'ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria eto Analamanga azy.
Ny jeneraly Raharijaona Lucien, komandy ambonin'ny zandarimarim-pirenena,no nitarika ny lanonana.




Ambodin'Isotry
Tsy laitra iainana ny fofona
Rehefa miavosa ny fako dia lalitra sy fofona ratsy no iainan'ireo mpivarotra eo Ambodin'Isotry. Mandeha ihany anefa ny tsena.
«Lalitra sy fofona ratsy foana no iainanay eto isan'andro ». Izany no fanazavana nomen' ireo mpivarotra manodidina ny toerana fanariam-pako eny Ambodin'Isotry, omaly. Mpivarotra mofogasy sy voankazo no eo akaikin'ity dabam-pako ity. Dabam-pako izay fefika fako tokoa satria dia miparitaka mihahaka hatreny amin'ny arabe izy amin'izao fotoana izao.
Raha ny fanazavan'ity raim-pianakaviana iray, Rakotondrajaona, mpivarotra mofo gasy eo an-toerana, dia fako efa hatramin'ny asabotsy no mankaty izao io fako miparitaka hatreny amin'ny arabe io. « Misy maka foana ny fako eto aminay. Fa tamin'iny faran'ny herinandro iny izy no tsy nisy naka », raha ny fanazavany.
Mandeha ihany ny tsena
Nosoritan'ity raim-pianakaviana ity fa malaky miavosa ny fako eo amin'io dabam-pako io satria saika mpivarotra avokoa ny ankamaroan'ireo olona manodidina, indrindra moa fa amin'izao fotoana fahavokaran'ny lotisia sy paiso izao. Betsaka ny garaba sy ny ravin'akondro.
« Vao telo taona izao no nivarotanay mofo teto. Efa teo koa io dabam-pako io fa lalitra sy fofona ratsy toy izao foana no iainanay », hoy ihany ity raim-pianakaviana mpivarotra ity. Nosoritany fa rehefa voadio ny toerana, afaka ny fako sady voafafa, dia mba eo ho eo ihany izany rehetra izany. Fa rehefa miavosa sy miparitaka toy izao izy vao tena mirongatra ny lalitra, indrindra moa fa rehefa avy ny orana.
Mandeha ihany anefa ny tsenany na izany aza, raha ny fanazavany satria saika lafo daholo ihany izay mofo vita.
Tsy ny mpivarotra eo am-pototr'ity dabam-pako ity ihany moa no mahita fahasahi-ranana amin'ny fako miavosa sy miparitaka eo an-toerana fa hatramin'ireo mponina eo amin'ny manodidina ihany koa.
Saika mpivarotra daholo ihany koa ny eo amin'ny manodidina azy eo ary dia nambaran'izy ireo fa tonga hatrany aminy any ny fofona ratsy sy ny lalitra indraindray.
« Na dia manao madio aza izahay, satria ny entana amidinay tsy misy zavatra manintona ny lalitra (kojakoja fanamboaran-trano), dia indraindray tonga aty ny lalitra », hoy ity tovolahy mpivarotra iray.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Fanakorontanana saim-bahoaka. Nofotorana ao Anosy ao amin'ny Polisy misahana ny heloka bevava ilay polisy, Rakotonirina Crescert, nilaza fa handray ny fitondrana amin'ny maha irak'Andriamanitra azy. Polisy am-perin'asa ao amin'ny FIP Antanimora izy ary voatendry hiasa any Mananjary. Saingy tsy mbola nandeha nandray ny asany.
Lanonam-pivavahana ao amin'ny FJKM Ambohimangidy Hotanterahina ao amin'ny fiangonana FJKM Ambohimangidy Fiadanana, ny 7 desambra izao ny alahadin'ny mpitandrina, ny pastora Razanajatovo Andriamaromisa. Araka izany dia miantso ny zanaky ny fiangonana izy ireo, hiara-kiombom-bavaka aminy eny an-toerana.
Mpiasa nitokona. Fitakiana ny zony noho izy ireo alefa « chômage technique » no fototry ny fitokonanan'ireo mpiasan'ny orinasa afakaba iray eny Ankadindravola Ivato, ny alatsinainy teo. Mpiasa eo amin'ny 1 300 eo no voakasik'izany raharaha izany. Nidina teny an-toerana mihitsy ny solontenan'ny distrika, nandamina ny raharaha.
Nangonin'i




Andoharanofotsy
Feno 10 taona ny orinasa Makiplast
Vokatra vaovao toy ny kilalao ho an'ny ankizy sy ny karazam-pitaovam-piarovana, na an-tanety na an-dranomasina indray amin'izao fotoana izao no atolotry ny orinasa Makiplast ho an'ireo mpanjifany.
Tsy mitsahatra ny mivoatra sy mikaroka izay mahasoa sy mahaliana ny rehetra mantsy ny orinasa, araka ny tompon' andraikitra ao aminy. Izany hoe tsy nianona fotsiny tamin'ireo sinibe fanangonan-drano sy ireo fitaovana fampiasa amin'ny lava-piringa.
Anisan'ny tafiditra indrindra ao anatin'ny fanamarihana ny fahafolo taona nijoroany izao hetsika izao. Ka misy ny fampirantiana arahina varotra eny amin'ny foiben-toerany eny Andoharanofotsy.
Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny fanomezana fihenam-bidy hatrany amin'ny 20% amin'ireo vokatry ny orinasa. Efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity izany hetsika izany ka hifarana ny asabotsy tontolo andro izao.




Ady amin'ny Sida
Tsy mahasarika olona ny fitiliana
Mbola ho ela vao voaentana amin'ny fitiliana ny VIH/SIDA ny olona eto amintsika na dia tsy andoavam-bola aza. Ny lehilahy no liana kokoa.
Roa andro izao no nanatanterahan'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, ny Philadelphie sy ny Fifafi Analamanga (Finoana, Fitiavana ary Fanantenana), ny fihetsiketsehana amin'ny fitiliana maimaim-poana momba ny tsimok'aretin'ny VIH/SIDA teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Araka ny fanazavan'ny filohan'ny fikambanana Fifafi azy, Rakotonirina Emmanuel, dia tsara ny vokatra. Nosoritany mantsy fa raha eo amin'ny 50 olona eo isan'andro no fetra tokony zakan'ny fitiliana indray mandeha dia nihoatra noho izany ny vita. Tamin'ny andro voalohany dia teo amin'ny 80 olona teo no tonga nanao izany.
Tarehimarika maivana
Nitombo ho 101 izany tamin'ny andro faharoa. Izany hoe olona 181 tao anatin'ny roa andro. Nomarihin'ireo mpikarakara fa ny lehilahy no tena betsaka tamin'ireo olona tonga nanao fitiliana. Nisy tany amin'ny 70% any.
Ny tanora sy ny mpianatra no hita ho tena tsy rototra firy amin'izany. Tsikaritra ihany koa izany teo amin'ireo olona tonga teny Ambohijatovo, araka ireo mpikarakara. Saika ireo olon-dehibe avokoa, mihoatra ny 25 taona, ny ankamaroan'ireo olona tonga nanao fitiliana.
Azo lazaina ho maivana ihany anefa ireo tarehimarika ireo raha oharina amin'ny isan'ny mponina eto an-drenivohitra izay misy hatrany amin'ny 1 800 000. Niaiky izany ireo mpikarakara. « Mbola sarotra ny mandresy lahatra ny olona amin'ny firosoana amin'ny fitiliana ny VIH/SIDA », hoy ihany ny filohan'ny fikambanana Fifafi. Nosoritany mantsy fa ny voasarik'izy ireo dia saika olona tonga nijery fety avokoa. « Teo izy ireo no noentanina dia tonga. Fa raha ny mpandalo izay noeritreretina hosintonina, lasa fotsiny », hoy ihany Rakotonirina Emmanuel.
Manamafy izany ny ankamaroan'ireo olona nanontaniana teny an-dalana :
« Ho an'ny olona mijangajanga sy tia vehivavy izany. Tsy miraharaha izany aho. Aretin'ny olona aty an-drenivohitra izany. Te hanao aho fa tsy manam-potoana hilaharana sy handratoana ny toerana hanatanterahana izany. Izaho tsy mitondra tsimok'aretina sida satria fantatro ny nataoko... » Saika nihodinkodina tamin'izany avokoa ny valin-tenin'ny olona.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Miparitaka ny vola sandoka Ar 10 000. Raim-pianakaviana iray no voafitaky ny vola sandoka Ar 10 000 omaly. Raha tsy ny mpivarotra saika hividianany entana tsy fantany mihitsy ny maha tsy izy an'ilay vola. Teo izy vao nanamarina fa somary malefaka ny ravin-taratasin'ilay vola sandoka. Ilay faritra mangirana avy eo ankavanana koa tsy hita. Nambarany fa nikambana tamin'ireo ravim-bola be tamin'ny karama noraisiny ity vola sandoka ity.
Tsaraina ireo namono mpamily. Hiakatra fitsarana anio, ny raharahan'ilay mpamily fiarakaretsaka novonoin'ireo olon-dratsy ary nariany tao anaty lava-drano teny Lazaina-Avaradrano, ny 10 oktobra 2007. Telolahy izy no voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Ny findain'ilay mpamily hita teny amin'ny iray tamin'izy ireo no nahatrarana an-dry zalahy.
Taolam-paty tratra. Hihady trandraka tany anaty ala no dian'ireo olona tao amin'ny tanànan'Antako, any amin'ny faritra Matsiatra-ambony, ny 28 novambra teo, nefa dia taolam-paty roa gony no hitan'izy ireo. Efa tonga tany an-toerana nijery azy ireo ny zandary avy ao Fianarantsoa. Noraisin'ny fokonolona ka nalevina any amin'ny fasam-bahiny ireo taolam-paty.
Nangonin'i




Tsaralalàna
Mpitondra moto nentin'ny polisy
Lehilahy iray no nentin'ny polisy nanaraka azy ho
any amin'ny birao, omaly tolakandro, teo Tsaralalàna. Ny moto-ny nipetraka teo amin'ny sisin-dalana no hitan'ny polisy ka nitadiavany azy tany amin'ny biraony tany.
Polisy telolahy izy no nitady an'ity lehilahy ity, ka ny iray niaraka taminy nitaingina moto fa ny roalahy nanaraka azy tamin'ny fiaran'ny polisy maitsomaitso avy tao aoriana.
Tsy nisy na inona na inona fa nilamina tsara ny fitondrana an'ity lehilahy ity nankany amin'ny birao. Tsy mbola fantatra anefa izay antony ilàna azy .
Nitovitovy tamin'izany ihany koa ny zava-nitranga teny amin'ny 67 ha, afak'omaly antoandro. Roalahy niara-nitaingina moto kosa no nosakanana polisy maromaro nanao fanamiana sivily. Nasain'izy ireo nidina sy niondrika tamin'ny tany izy ireo. Namoaka basy nanambana azy ireo mihitsy ireo polisy teo. Ny iray aza moa nanokatra ny sezan'ilay moto izay misy fitoeran'entana. Avy eo izy roalahy dia nentina tany amin'ny birao.
Asa raha misy hifandraisany ireo trangan-javatra roa ireo.




Asa an-tselika
Ifandrombahana ny ravaky ny Noely
Nanomboka ny 1 desambra teo dia ireo ravaka amin'ny Noely no mirenty eny an-tsena. Izay indray no anton'asan'ny mpivarotra.
Mitobaka eran'ny tsena sy ny lalam-be rehetra eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao, indrindra fa amin'iny faritr'Analakely sy Tsaralalàna iny ary Ambodin'Isotry, ny hazon'ny Noely sy ny haingo ary ny ravaka atao amin'izany. Afaka roatokombolana eo tokoa mantsy dia higadona izany, ary hita efa ho mivolon'izany fety izany ny manodidina rehetra, toy ny magazay, ny trano fiangonana, ny arabe, indrindra fa ny tsena izay resahina eto.
Any amin'ny famarotana ireo entana sy kojakojan'ny Noely indray izany izao ireo mpivarotra no mandeha. Ireo mpivarotra andavan'andro, toa an'i Josiane sy Hary, izay hita eny amin'iny faritr'i Tsaralalàna iny, dia nanambara fa kojakojam-behivavy sy fitaovana madinika ao an-tokantrano no amidiny isan'andro. Saingy rehefa misy vanim-potoana miavaka toy izao dia ampirimina aloha ireny ary mandeha mitady entana hamidy amin'izany izy ireo.
« Toy ny mahazatra anay dia any amin'ny Sinoa sy ny Karana ihany izahay no maka an'ireny entana ireny. Aloa tolobotsitra ny vidiny fa tsy manaiky ny hanaovana trosa izy ireo. Dia izay zakan'ny vola no alaina », hoy izy roa.
Nambaran'izy ireo fa efa mahazatra azy ny famarotana entana manaraka vanim-potoana toy izao, toy ny kojakojam-pianarana rehefa tonga ny fidiran'ny mpianatra.
« Manomboka eo amin'ny 50 000 eo ka hatramin'ny 100 000 ariary ny vola hatokana hakana entana amin'izany », hoy i Josiane. Nosoritany fa tsy dia misy tombony be dia manahoana ny varotra amin'izany, fa rehefa mahazo kely hividianana sakafo dia efa ampy.
Varotra hazo Noely
Mifanohitra amin'izay kosa ny an'i Tojo, tovolahy mivarotra hazon'ny Noely. Asa hafa mihitsy no ataony isan'andro, fa rehefa tonga ny Noely dia mijanona izy aloha ary mandeha mitady sy mivarotra hazon'ny Noely. « Betsaka foana ny mitady azy ireny isan-taona ary tena mandeha ny varotra », hoy izy.
Mandehandeha izy mivarotra izany, raha ny fanazavany, fa tsy mijanona amin'ny toerana iray. 9 000 ariary ka hatramin'ny 16 000 ariary no hanombanany ny hazon'ny Noely iray vitan'ny Sinoa. Vola 60 000 ariary kosa indray ny azy no nambarany fa nentiny nihetsika tamin'ny fividianana entana. Mandeha ny tsena amin'izao fiandohany izao, raha ny fanazavany, satria mahalafo foana izy isan'andro.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Dadabe nametaveta ny zafikeliny. Any amin'ny fonjan'Antanimora amin'izao fotoana izao ilay rangahy lehibe nahavita nametaveta ny zafikeliny vao 9 taona, teny Alasora. Nanamparany ny habibiany ity taizan'izy mivady. Rehefa tsy ao an-trano ny vadiny no hanaovany an'izany herisetra izany. Tsy indray mandeha no nanaovany an'izany herisetra mamohehatra izany fa efa imbetsaka. Tsy nahatanty ilay zaza nony farany ka nitaraina tamin-drainy.
Vehivavy main'ny afo. Namoy ny ainy mihitsy ilay renim-pianakaviana main'ny afo tao an-tranony, teny Ambodiafontsy Fenoarivo, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin'ny 7 ora hariva. Jiron-tsolitany nianjera tao an-tokantranony no nahatonga ny loza. Nidedaka tamin'izany ilay trano ka may tao izy.
Fiara nangalarin'ny jiolahy. Napoakan'ireo jiolahy, omaly alina, ny basy teny Ankadindramamy, raha handeha hangalatra an'ilay fiara Mazda nijanona teo amoron-dalana izy. Tao anatiny ny mpamily niambina an'ilay fiara ka mba hamoahana azy sy hampihorohoroana ireo mpiambina tranon' olona teo amin'ny manodidina no nanapoahany azy. Nentin'ireo mpanafika ny fiara nony avy eo.
Dahalo roa maty . Nahasahy nifamaly tifitra tamin'ireo zandary nanara-dia azy mihitsy ireo dahalo tany Besalampy, tao Malandiandro, kaominin'i Marovoay atsimo. Tamin'izany no nahafaty an'ireo dahalo roa. Nahita an'izany ireo namany ka nandositra.
Nangonin'i




Fitsarana
Voaheloka ireo namono mpamily
Voaheloka hanao asa an-terivozona mandrapaha-fatiny ny roalahy, Rakotoharinivo Malala Rinasoa sy Rakotonarivo Eloi na Rasta. Ny iray kosa, Rabemanantsoa Rivotiana Jean Edmond, nosaziana hanao asa an-terivozona mandritra ny 15 taona.
Izay no sazy nampiharin'ny Fitsarana heloka bevava tamin'ireo telolahy nahavanon-doza ka namono nahafaty tamin'ny fomba feno habibiana an'ilay mpamily fiarakaretsaka, Rakotondralambo Jean Edmond, teny Ambodifasina Lazaina, ny 10 oktobra 2007. Nosakanan'izy ireo teo amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha ity mpamily ity tamin'izay ary dia novonoiny. Lasany ny fiara.
Onitra 10 tapitrisa ariary no nodidian'ny fitsarana haloan'izy ireo amin'ireo niharam-boina, dia ny havan'ny maty sy ny tompon'ny fiara.




Ankazobe
Vehivavy iray maty nilatsaham-potaka
Nandripaka mihitsy ny varatra tao Ankazobe, afak'omaly hariva. Vehivavy enina sy trano iray no indray nilatsahany. Ny iray tamin'ireo vehivavy niara-dia moa dia namoy ny ainy mihitsy, fa efatra no naratra ka ny iray tamin'izy ireo no voalaza fa tena voa mafy satria may ny volony sy ny ila-tarehiny. Vehivavy iray ihany izany no nieren-doza, tsy naninona. Avy nanetsa izy ireo tamin'io fotoana io. Nirotsaka ny orana teny am-panetsana ka nandeha nody. Tsy nahavita firy metatra akory anefa dia tra-doza.
Nirehitra kosa ilay trano iray nilatsahany. Araka ireo olona teny an-toerana dia nitety trano mihitsy ilay varatra. Teo amin'ny tolana izy no nirefotra ary io no nirehitra ka nandoro an'ilay trano. Nieren-doza avokoa ireo olona tao an-trano. Nisy ihany vehivavy iray torana raha napitik'ilay varatra niditra.




Politika
Niova anarana ny vondron'ny parlemanta mahaleotena
Tsy mieritreritra ny hivondrona ka ho lasa antoko politika iray izahay. Izay avy hatrany no fanazavana nomen'ny depiote Ramaherijaona Haja, voafidy tany Tsiroanomandidy, raha nanazava ny mikasika ny fanamafisana orina ny fivondronan'ireo depiote tsy miankina eny amin'ny antenimieram-pirenena.
Niova anarana ho Vondron'ny parlemanta manohana ny demokrasia sy ny fampandrosoana (GPDD). Nosoritany fa araka izay anarana vaovao isaloran'izy ireo izay dia tsy misy afa-tsy ny fanajana ny demokrasia sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara no tanjon'izy ireo.
«Misokatra amin'ny hevitry ny maro izahay ary hiroso amin'ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fanomezana aina ny fiainan'ny vahoaka. Vonona ny hifanome tanana amin'ny fifanampiana», hoy ny filoha vaovaon'ity vondron'ny parlemanta ity, Rakotonirina Jean Claude, depiote voafidy tany Vohipeno.
Vonona izy ireo, raha ny fanazavany, ny hiaro ny tombontsoan'ny vahoaka, amin'ny fanaovana tolo-dalàna sy fanolorana ny hetahetany. Ahitana mpikambana 14 moa ato anatin'ity Vondron'ny parlemanta manohana ny demokrasia sy ny fampandrosoana ity.




Anosipatrana
Tsara ratsy amin'ny mponina ny fako
Manatsara ny fitadiavam-bola ho an'ny sasany ny fisian'ny fako eny Anosipatrana. Fa fanelingelenana kosa ny hafa.
Sady mahasoa ny hafa no manahirana ny sasany ny fanariam-pako vaovao ataon'ny kaominin'Antananarivo renivohitra eny amin'ny digue eny Anosipatrana. Misy ny mahita tombontsoa amin' izany, misy koa ny fadiranovana noho ny fofon-dratsy ateraky ny fako.
Ho an'ireo mahita tombontsoa amin'izany, anisan'izany i Claudine izay manan-janaka fito mianadahy, mipetraka tsy lavitra ity toerana ity, dia nosoritany fa tsy mandeha lavitra intsony izy mitsindroka an'ireo kapoaka sy boaty kely izay fivelomany hatramin' izay. «Eto ihany izahay no maka azy», hoy izy. Nambarany fa mandeha an-tongotra lavitra izy teo aloha mitady izany.
«3 000 ariary izao no azoko omaly maraina ary 2 000 ariary androany», hoy izy. Efa misy mpaka isan' andro eo aminy mantsy ireny kapoaka tadiaviny ireny ary dia mandry eo ny sakafo isan'andro. «Mety aminay aloha ny fanariana fako ety e. Zavatra havadika ho vola no tadiavinay aminy fa tsy sakafo ho hanina», hoy izy nanamafy izany.
Manampy trotraka
Mifanohitra amin'izany kosa anefa ny mahazo an'i Lalaina, renim-pianakaviana mitaiza kely eo an-toerana. «Tsy laitra mihitsy ny fofom-pako. Manaikitra be mihitsy ilay izy ary amin'ny alina tonga dia mahazo ny tratra sy ny loha», hoy izy. Ny zazakely no tena tsy mahazaka izany.
«Lasa voan'ny sery sy tsentsitsentsina izany izao ity zaza ity», hoy Lalaina. Fito volana izao ny zanany ary tsaroany ho niova mihitsy ny toe-pahasalamany hatramin' izay efatra andro nisian'ny fako teny an-toerana izay.
Nanamafy izany koa ity raim-pianakaviana izay mitaiza zaza tsy salama eo akaikiny. «Haka rivotra no nitondrana ny zanako tsy salama taty, nefa vao mainka nanampy trotraka ny tsy fahasalamany ilay fako», hoy izy. Safo-dava izay mantsy ilay zaza ary dia nihetsika ny aretiny.
Fahasahiranan'ny mponina eny an-toerana izany, fa misedra olana toy izany koa ireo mpiasa vaovao nokaramain'ny Kaominina hanampy ny mpiasany amin'ny fandraofana fako. «Hatramin' izao izahay tsy mbola nandray ny karamanay. Miasa 48 ora izahay dia efa mandray vola. Nefa efa indroa nahavita izany izahay tsy mbola nahazo», hoy i Eric sy Fidel. Nijanona tsy niasa intsony moa izy ireo omaly, niandry ny karamany.





Brèves
A chaud
Double cérémonie militaire à Iavoloha. Le président de la République, chef suprême des Forces armées, Marc Ravalomanana, a pris part à la cérémonie militaire dédiée à rendre hommage aux 19 généraux admis à la retraite. C'était hier à l'occasion du Ceremony building d'Iavoloha. Puis les 17 nouveaux généraux promus au cours de l'année 2008 ont été accueillis.
Anniversaire du roi de Thaïlande. Le consulat général de Thaïlande à Madagascar a célébré hier au Carlton, le 81e anniversaire du roi Bhumibol Adulyadej. Outre le représentant du gouvernement malgache, la grande famille des diplomates étrangers ont répondu à l'invitation du consul général Boontham Plangtrakul.
Samuel Cristophe à la tête du RegTIM Melaky. Le sénateur Samuel Cristophe et le chef de région Alijaona Tiana ont été élus respectivement président et vice-président de la structure de parti présidentiel au niveau de la région (RegTIM) de Melaky. Le ministre coach, Elisé Razaka s'est rendu sur place jeudi pour installer le nouveau bureau.
Réunion d'apaisement à Tolagnaro. Le chef de région d'Anosy, Roland Randriamampionona a réuni jeudi des responsables du QMM ainsi que des personnes se sentant victimes de l'extension des activités de la société. Suite à la récente manifestation d'une partie des habitants, il a appellé à cette occasion au respect de la loi en vigueur.




Raiso ny andraikitra !
«Ry Jeneraly, raiso ny andraikitrareo».
Teny samboriko tamin'ny kabary nataon'ny filohan'ny Repoblika manolona ny lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny Fiarovana.
Andraikitra inona moa ? Tsara ihany faritana mazava sao sanatria ka raisin'ny sasany vilana indray ny andraikitra. « Jeneraly : mari-boninahitra ambony indrindra amin'ny Tafika. Fa, ankoatra ny voninahitra an-tsoroka, aiza ny adidy lolohavina ? Adidy ho ohatra, andraikitra ho filamatra, mpampianatra ny fanajana ny hiérarchie ; fakan-tahaka ho an'ireto bazary zandry, ho an'ny manamboninahitra rehetra, ho an'ny miaramila manontolo ; rehareha ho an'ny tanora miandrandra ACMIL, tokin'ny firenena manana azy » (1).
Amin'ny firenena andalam-pandrosoana mantsy, indrindra raha mbola lavitra ezaka ny demokrasia, dia iry-mahaory ihany ny Tafika. Soa aloha, hatramin'izay teto Madagasikara, fa tsy mba Tafika milingilingy ary tsy jeneraly mitonantonana, ankoatra ireo saonjo roa na telo namarara. Rà mandriaka sanatria teto amin'ny firenena raha adaladala ny Jeneraly ary nihetsika ny hagaigen'ny miaramila. Ahoana moa ilay sangisangy zary tenany : « Aza adino fa aty aminay ny basy »...
Amin'ny firenena efa masaka ara-poto-kevitra demokratika dia toky, andry ary rehareha ny Tafika. Jereo ireny ny jeneraly Eisenhower, lanieram-bahoaka ho filohan'i Amerika. Jereo ny jeneraly de Gaulle, namela ho lovan'ny Frantsay ny Lalampanorenana tamin'ny 1958. Jereo ny jeneraly Colin Powell, Mainty voalohany indrindra noheverina fa mendrika ny ho filohan'i Amerika, valo taona talohan'ny nahalany an'i Barack Obama. Tsy hoe miaramila mantsy dia jadona, tsy sanatria hoe jeneraly dia biby.
Tamin'ny andron'i Hitler, nisalasala hatramin'ny farany ireo jeneraly tao amin'ny Wehrmacht, tsy sahy naka andraikitra nanongana filoha romotra. Raha tsy nahomby ny tetiky ny kolonely Klaus von Stauffenberg, ny 20 jolay 1944, dia voatery namono tena ny jeneraly tiam-bahoaka indrindra, Erwin Rommel, ary maty notifirina ny manamboninahitra ambony ampolony. Ireo jeneraly izay nankatoa hatramin'ny farany ny hadalan'i Hitler dia notsarain'ny Tantara tao Nuremberg, rehefa hitam-poko fantam-pirenena ny vonomoka natao ny Jiosy tany Eoropa. Ahoana moa hoy ny jeneraly de Gaulle : « Tsy enimpolo taona aho vao hisantatra jadona ». Ny rariny, ny ara-dalàna, ny tombontsoam-pirenena, ireo no mason-tsivana : ka ho jeneraly « tsy hiala aho » tahaka an'i Suharto tany Indonesia sa ho jeneraly « morabe » tahaka an-dRamanantsoa namela ny kolonely hifanasa vangy ?
Raha miresaka ny jeneraly isika, tsy azo ihodivirana ny fanontaniana mikasika ny Tafika. Tafika ahoana sy inona no ilain'i Madagasikara araka ny fepetra mamaritra ny Fiarovana sy ny tombontsoam-pirenena ? Rehefa marim-pototra ireo, manaraka ho azy ny satan'ny miaramila, ny toeran'ny Tafika eo amin'ny fiaraha-monina ary ny tokony ho andraikitra sahanin'ny jeneraly.
(1) Jereo Mamalan-kira VANF, Jeneraly ho ohatra sa ho henatra ?, L'Express de Madagascar, 20.11.2006
(2) Tokony hifanarahana mihitsy ny fomba handikana ny anaran-tany miainga amin'ny fiantsoan'izy tompony azy fa tsy avy amin'ny fanononana indramintsika amin'ny Frantsay. Ohatra : Deutschland, hoy ny tompon-tany, Germany amin'ny Anglisy, Allemagne amin'ny Frantsay. Maninona no tsy Deutschland ihany aloha ho antsika Gasy ?




Vina
Tononkalon-jaza fahiny ny hoe Vina tsy voalanja, miendrika vinany ;
« Vina nofinofy, mampitomany » Azo lazaina fa ao amin'ny rafi-piainana maha olona ny olona ny vina, ka izay tsy manana vina no mahagaga.
Samy maminavina ny ho ampitsony ny rehetra, na fohiezaka io, na antoninezaka, na lavitrezaka.
Fony tany an-tsekoly fanabeazana fototra, dia nanontanian'ity mpampianatra sy mpianatra tsirairay ny amin'izay mba hataony rahefa lehibe. Tsy nieritreritra izay tao an-tsain-dRamose akory tamin'izay fotoana izay, fa tato aoriana no toa azo vinavina hoe : Angamba ny hisarika ny sain'ireto mpianatra hitsinjo ny ho avy sy hanana tanjom-piainana no antony, fa tsy ho finaritra hipetraka ambony dabilion-tsekoly mandava taona fotsiny. Ary tsorina fa ny valiteny nambara tamin'izay, na dia efa taona maro aty aoriana aza dia mbola tsaroana hatrany.
Moa tsy io vina io no isasarana sy andanian-drondoha marain-tsy hariva ? Eny, iomanana hatramin'ny hiafarana aza moa : arafitra ny fasana, vidina ny lamba hifonosana. Misy aza raiamandreny mahavita mametraka an-tsoratra ny fombafomba rehetra handevenana azy. Ary akory ny filofosan'ireto akanga sisa nanamborana hanaraka an-tsakany sy an-davany izany hafatra izany, rahefa tonga tokoa ny andro.
« Ny tampoka tsy maha lehilahy » tokoa manko, sady efa voasoratra rahateo fa « ho avy toy ny mpangalatra izy ». Taratry ny fahendrena ny «mitsinjo ny vodiandro ho merika » ; kanefa koa « tsy ho be famaritra toa rambon'osy ka lanitra tsy hikoa avy no tohanana ».
Na akory aneta hakingana sy fahaizana ary hery, dia tsy vitsy no efa tojo impolo kely ny « tsy azo anoharana », fa « ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona », ary mety ho efa voan'ny « ny nantenain-tsy azo, ny tan-tanam-botsotra aza » ka nahavakivava ny ganagana hoe : « Gaga aho fa ny rano nandroako no nahamasaka ahy ».
Ny vina, tombana na fikasana sy faniriana anefa dia tsy azo anadinoana ny « Haitraitra an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra », satria tsy misy azontsika itompoana na dia ny tenantsika sy ny aintsika aza.
Dia mba ahoana kosa ary itony vina miantehitra amina fananan'ny hafa itony, izany hoe : vina amim-bola trosaina sy miteraka? Tsy lavina fa misy dia misy tokoa ny asa sy ny fotodrafitrasa vita amin'izy ireny. Saingy toa « tsy re be tsy re kely » ny ampahany amin'ireny bolongam-bola lavitrisa lavitrisa migodàna avy any dilambato ireny, no tena mankany amin'ny soa iombonana sy miantefa any amin'ny maroanisa, indrindra indrindra fa zafy, zafiafy sy zafindohalika no atao takalon'aina tsy maintsy haneta azy ireny, afaka roapolo, dimampolo, zato taona ???
Isika no mitsetsitra ny tsirony, mifety amin'izy ireny, fa ireo solofo sy dimby kosa no « handraoka ny lavenona ». Isika no manao izay nahim-pontsika, fa ireo kosa hifia-dranomaso hanilika trosa tsy nisitrahany akory.
Mahafaly aok'izany ny mahatsiaro ny Razana namela mamy, fa raha trosa mangeja maha kizo fara kosa no lova napetrany, na efa any am-pasaha aza, toa hofongarina, sanatria, hadinina hoe : « Fa ahoana izao » ?.
Ralaivao Joseph




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ratsy be ny fifandraisan'ny « Zain ». Tsy misy tsy mimenomenona, tato anatin'ny andro vitsivitsy, ny mpanjifan'ny orinasam-pifandraisana «Zain». Na tsy mahazo ny antso atao, na tapatapaka ny fifandraisana aminy. Nanazava moa ny eo anivon'ity orinasa ity fa misy asa fanatsarana atao amin'ny tambazotrany, ka izay no mahatonga ny fikorontanana.
Trano hazo 13 kila forehitra. Tsy nisy niangana na dia iray aza ireo trano hazo 13 nirejitra tao Mahavoky-Besarety, omaly antoandro. Tsy tena fantatra mazava izay antony nahatonga ny afo satria samy manana ny filazany ireo mponina eo an-toerana. Mahatratra hatrany amin'ny 80 any ny isan'ireo traboina.
Mpianatra « motard » nidiran-doza. Nirifatra ary tonga dia tany amin'ny tranona mpivarotra iray teo amoron-dalana no nifatratra ny môtôn'ilay polisy mpianatra «motard» iray. Tsy mbola voafehin-dranamana tsara angamba ilay moto nianarany fa raha tokony ho «frein» no no nitsahany dia lasa tany amin'ny «accélérateur» ny tongony. Renim-pianakaviana iray sendra nivarotra tao amin'ilay tsena no naratra vokatr'izany. Naratra ihany koa ilay polisy.
Nangonin'i




Fandriampahalemana
Fonja roa hafa indray no vaky
Tsy mitsahatra ny manao tohivakana ny fahavakisan'ny fonja eto amintsika. Vaky indray mantsy ny fonjan'Ambalatavoahangy ao Toamasina sy ny fonjan'i Moramanga. Gadra efatra no indray tafavoaka tamin'izany, roa tao Toamasina, roa koa tao Moramanga.
Omaly maraina, tamin'ny 8 ora, no vaky ny tao Toamasina. Nanaovan'ireo gadra roalahy, Alexis sy Rakotomalala Justin, amboletra ny fidirana tao amin'ilay tranokely fiambenan'ny mpiambina avy ao andamosin'ny fonja ary dia tao izy no nitsoaka.
Teo no ho eo ihany dia raikitra ny fanenjehana ka tao Antanamborozany, roa kilometatra miala ny fonja, dia tratra izy roalahy. Tsy nety nijanona izy ireo raha noenjehina ka voatery nitifitra azy ny mpiandry fonja. Ary dia vita teo ny aminy.
Ny alakamisy alina teo kosa no vaky ny fonjan'i Moramanga. Gadra roalahy no tafatsoaka tao. Saingy ny iray ihany aloha no mbola voasambotra hatramin'izao, fa ny iray kosa mbola any am-pandosirana any.
Toa arakaraka ny fandraisana fepetra momba ny fonja sy ny fanamafisana ny fiambenana azy no vao mainka mampirongatra azy.




Fanatsarana
Mipetraka ny dabam-pako vaovao
Mirentirenty amin'ireo faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra ny dabam-pako tsara tarehy. Zava-dehibe ny fanajana ny fitaovana.
Miova endrika ny tanàna ! Mipetrapetraka eran'ireo faritra sasantsany eto Antananarivo, amin'izao fotoana izao, ny dabam-pako vaovao amin'ny endriny mahafatifaty. Dabam-pako misy sarony sy kodiarana ahafahana mitondra azy mivezivezy izy ireo. Tsara e! Ary hita ho manome endrika ny tanàna.
Telo izy no indray milahatra amin'ny toerana iray, izay mahalany eo amin'ny 4 na 5 metatra toratelo eo.
Fitaovana àry fomba
Raha ny fanazavana nomen'ny tale ara-teknika eo anivon'ny kaominin'Antananarivo, Ramavozatovo Liva, dia tafiditra indrindra ao anatin'ny fanatsarana ny tanànan'Antananarivo ny fametrahana an'ireny dabam-pako tsara tarehy ireny. Anisan'ny fanamby nomen'ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina tamin'izy hilatsaka ho ben'ny tanàna izany fanatsarana ny tanàna izany.
Vita amin'ny plastika ireo dabam-pako ka somary marefo ihany ary izay no antony namefena azy ao anaty fefy vy, hiarovana ny fahapotehany.
Tsy mandeha irery ireo dabam-pako vaovao ireo fa misy ihany koa ny kamiao lehibe mpitaona fako izay vaovao koa ka mifanaraka amin'izy ireo. Rehefa alaina ny fako dia akorisa avoaka ao amin'ny fitoerany ny dabam-pako ary atohoka eo amin'ny vodin'ilay kamiao. Dia misy fitaovana àry fomba avy ao amin'ilay kamiao avy eo mandraoka ny fako ao anatiny.
Tsy misy intsony izany ny mpiasan'ny kaominina mandraoka fako toy ireny fahita andavanandro ireny amin'ity dabam-pako vaovao ity. «Ny fako miparitaka sendra latsaka na ataon'ny olona ihany sisa no raofina», hoy ihany ity tale teknikan'ny kaominina ity.
Nosoritany fa noho ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina eto amintsika, dia faritra vitsivitsy ihany aloha no nametrahana azy ireo. Izany hoe ireo toerana azo lazaina fa tsy dia be mponina loatra, toa ny Ankadifotsy, Antanimena, Alarobia, Ankorahotra, Ankatso, Tsimbazaza ary Tsarafaritra. «Hoezahina aparitaka amin'ny toerana eto an-drenivohitra izy ireo, afa-tsy ny eny amin'ny tsena. Saingy mandeha tsikelikely. Mbola hisy ny fanentanana hatao, iaraha-miasa amin'ny fokontany, amin'ireo olona sy tanàna samihafa», hoy Ramavozatovo Liva.
Tsy handefitra mihitsy ny kaominina amin'izay tratra manimba ny fitaovana. Ny polisy kaominaly sy ireo mpiambina sivily miasa eo anivon'ny kaominina no nosoritany fa mivezivezy miambina sy manara-maso ny fikojakojana ny fitaovana. Volan'ny kaominina madio rano no nividianana an'ireo dabam-pako ireo, ny kamiao kosa dia nisy fiaraha-miasa tamin'ny mpitatitra.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Dahalo telo tratra. Haingana dia haingana ny fikarohana nataon'ny zandary tamin'ilay fanafihan-dahalo nitranga tany amin'ny faritr'i Moramanga ny herinandro teo, izay nahafaty raim-pianakaviana iray. Telo no indray tratra. Mbola mandeha ny famotorana sy ny fikarohana ireo namany. Dahalo valo lahy teo no indray nanafika tao an-tanàna tamin'izay fotoana izay. Tokantrano telo no notafihin'izy ireo.
Mpitaingina moto niharan-doza. Vaky ny lohan'ilay mpitaingina moto niharan-dozam-pifamoivoizana teny Ankadindramamy, omaly tolakandro. Nidina an'iny fidinana avy any Ampasampito iny izy no tra-doza, nakarapoky ny moto nentiny. Ny fokonolona teo an-toerana no namonjy azy.
Nangonin'i




Analakely
Mpiambina namoy ny ainy
Vatana mangatsiaka tsy mihetsika intsony, omaly maraina, no hitan'ny fokonolona teo amin'ny mpiambina an'ilay tranom-barotra malaza iray amin'ny famarotana ireo kapila manjelatra vitan'ny mpanakanto malagasy etsy Analakely. Tsy nahitana dian-dratra na dia kely aza teny amin'ny vatany. Na izany aza dia nivoaka faroratra fotsifotsy ny vavany, izay nampiahiahy ny fianakaviany. Efa naterina eny amin'ny tranom-paty eny amin'ny HJRA Ampefiloha ny razana.




Faratsiho
Vehivavy iray voatifitra
Lehilahy iray no nohenjehina sy nosamborin'ny polisy misahana ny fisamborana ireo jiolahy gaigilahy, tany amin'ny faritr'i Faratsiho. Kanjo tany amin'ilay vehivavy niaraka taminy ny bala no niantefa. Voa teo amin'ny lamosiny ity tovovavy ity ka lavo. Dia noraisim-potsiny teo ilay tovolahy. Niara-nitaingina moto mantsy ity tovolahy ity sy io tovovavy io.
Raha ny fanazavana azo dia asan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana izay niseho teo Ampefiloha tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra no fototry ny fanenjehana sy fisamborana an'ity tovolahy ity. Toeram-pivarotana sady fanakalozam-bola vahiny sy malagasy ity voatafika ity. Voaroban'ireo jiolahy tamin'izany ny vola be aman-tapitrisany.
Mbola misy ihany koa, araka ny polisy, ny raharaha fanafihana fiara 4x4 teny Tanjombato, mbola tamin'ity taona ity ihany. Avy nandevina ny rainy, tany amin'ny faritr'i Faratsiho moa ity tovolahy ity tamin'io fotoana io izao nohenjehin'ny polisy izao.
Teo ihany izy dia natolotra ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava mba hanaovana famotorana.




Tsenan'ny Pochard
Tsy milamina ny mpivarotra
Tsy mety milamina ireo mpivarotra ao amin'ny Pochard, na dia misy aza ny fandaminana natao. Ny tompon'andraikitra rahateo tsy mihetsika.
Samy manao izay tiany. Izay no azo ilazana ny fihetsik' ireo mpivarotra ao amin'ny tsena Pochard. Notsindrian'ireo mpivarotra ao an-toerana fa misy tokoa ny mpivarotra tsy manara-dalàna. Tsy manaiky fandaminana fa manao izay tiany. « Efa napetrak'ireo delegen'ny tsena ny fanda-minana momba ny haben'ny faritra azon'ny tsirairay ivarotana : velarana 3 metatra toradroa. Izany hoe 1,50 metatra ny halavany sy ny sakany. Nefa dia misy ny sahy manohitra izany », hoy ireo mpivarotra.
Misy koa ny mampiditra olon-kafa avy any ivelany, izany hoe manome toerana hivarotana an'olon-kafa. Hany ka ireo tompon-toerana hatramin'izay no manjary sahirana mitampify amin'ny toerana kely. Tafiditra eny afovoan-dalana natokana ho an'ny mpandeha sy ny mpividy mihitsy aza, toa ireo mpanjaitra izay zary manana toerana hanatanterahany ny asany, indrindra rehefa alakamisy ny andro.
Efa vita fanisana
Ny zavatra mahavariana amin'ity raharaha ity, araka ny fanazavan'ireo delegen'ny tsena sasany, dia efa vita efa ela (fito volana eo izay) ny fanisana ireo mpivarotra nampanaovina an'ireo delegen'ny tsena. Toy izany koa ny fizaran-toerana nanaovana ny faritra tamin'ny tany sy ny fanatsarana azy ireny. Ary efa natolotra ny tompon'andraikitry ny tsena ny antontan-taratasy mikasika izany. Nefa hatramin'izao, tsy mbola hita ny fandraisan'izy ireo andraikitra amin'ny fametrahana ireo mpivarotra amin'ny fandaminana izay efa natao. « Tsy mahagaga raha samy manao izay tiany ny mpivarotra », hoy izy ireo.
Ny tsena rahateo ao anatin'ity tsena Pochard ity tsy dia mandeha firy noho ny firoborobon'ireo mpivarotra amoron-dalana. Ka dia samy manao izay mahafalifaly ny fony eo daholo ny mpivarotra.
Misy any amin'ny 1 700 ny isan'ireo mpivarotra voasoratra anarana ao amin'ity tsena Pochard ity amin'izao fotoana izao.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Hazo sarobidy tratra. Miisa 50, mirefy 2,5 m sy 3 m ary 4 m, ireo hazo sarobidy, voamboana, tratry ny zandary tao Ambohimanarivo Andranonahoatra, distrikan'Antsirabe-II, ny 7 desambra teo. Lehilahy teratany vahiny iray no nitondra ny entana izay nentiny tamina kamiao lehibe mitarika remorque. Rehefa nosavaina izy dia hitan'ny zandary fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana.
Toaka gasy sarona. Tao anaty fiara misarona iray, teo Manandona Antsirabe-II, ireo toaka gasy 36 damizana no tratry ny zandary. Lehilahy iray no tompony ary nambarany fa saika hoentina any Atsimontsena Antsirabe izy ireo. Efa noraisin'ny zandary moa ny fepetra rehetra amin'ny fahatrarana izany : fampandoavana lamandy no sazy nampiharina. Rehefa voaefa izany izay vao misy ny fanolorana azy ny Fampanoavana.
Basy vita gasy tratra. Niaraka tamin'ny bala efatra ilay basy vita gasy saron'ny zandary avy ao Betatao, distrikan'Ankazobe, ny
5 desambra teo. Nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana ny tontolo ambanivohitra no nahatrarana izany. Olona roa no tratra nihazona izany ary eo am-panaovana fanadihadiana azy ireo ny zandary any an-toerana.
Nangonin'i




Ambodivona
Jiolahy roa lavon'ny polisy
Nanaovan'ny polisin'ny GIR (Groupe d'intervention rapide) hetsika manokana, omaly vao mangiran-dratsy, ireo andian-jiolahy mpanafika sy mpanendaka olona eny amin'ny faritr'Ambodivona sy ny manodidina azy. Jiolahy roa no indray lavon'izy ireo.
Mazava, araka ny zava-nisy teny an-toerana, fa nahatrarana sabatra lava lela daholo. Mbola nisy bala mirefy 9 mm 64 miisa telo koa tratra teny amin'ny iray. Teo ampitan' ny Jirama-n'Ambodivona no voatifitra ny iray. Ny faharoa kosa teo akaikin'ny fivarotan-tsolika Galana teo amin'ny sampanan'Ambodivona.
Polisy maromaro nanao fanamiana sivily no efa nanara-maso ny fihetsik'izy ireo teny Ambodivona teny. Nikoropaka ireo jiolahy raha vao nahatazana ireo polisy. Efa nifamotoana teny an-toerana vao maraina mantsy izy ireo.
Raikitra ny fanenjehana ary tsy lasa lavitra dia lavo ny iray. Ilay faharoa no mbola nanohy ny diany nandositra, kanjo lavo teo Ambodivona ihany. Saika hisitrika tao anaty zotra 163 sendra nanala olona izy no voajokon'ny polisy. Nasaina nidina ny fiara tsy nety ary mbola nikasa ny hitsofoka tao ambany fiara ihany nony injay nidina ny fiara. Dia notifirin'ny polisy.




Antaninandro
Fiara saika nivarina tany an-kantsana
Nasidin'ny fandehanany mafy ilay fiara mpitatitra, ka teo anaty hantsana no nifatratra. Nihantona teo ambony tambohon'olona.
Vintana kely foana no tsy nilatsahan'ity fiara Minibus iray, zotra nasionaly, tany anaty hantsana, tao an-tokotanin'olona teny Antaninandro, omaly, teo ampitan'ny fivarotan-tsolika Jovenna. Efa nikiraviravy teo amin'ny tambohon'olona avy tety amin'ny arabe mihitsy mantsy ilay fiara.
Izany hoe santimetatra kely sisa no tsy nitsatohany tao amin'ilay tokotanin'olona nilatsahany, izay mirefy sahabo eo amin'ny dimy metatra eo. Ilay pare-chocs aoriana sisa no nihazona azy tsy hifatratra tao an-tokotanin'olona satria na ny kodiarany aoriana aza nihantona fotsiny. Atahorana raha sanatria voakitika na misy rivotra mifofofofo mahery.
Misy tamboho kely mirefy eo amin'ny iray metatra eo ilay tokotanin'olona, raha avy aty ambony, aty amin'ny araben'Antaninandro. Nefa dia voahoatran'ilay fiara izany. Toy ny napetraka teo ambonin'ilay tamboho ny fijery azy. Nahavariana izay rehetra nandalo, araka izany, ny fisidinan'ity fiara ity teo amin'ilay tamboho ka nampikiraviravy azy.
Nirimorimo be
Araka ireo mpivaro-tsolika izay nahita maso ny zava-nitranga teo an-toerana dia tany amin'ny misasak'alina tany no nisehoan'ny loza. «Avy any Tsiazotafo izy io no nipoitra ary tena nirimorimo be. Fiara kely Audi izay nijanona teo amoron-dalana havia no nofaohiny sy napitiny. Izay koa no nahatafahoatra azy ny tamboho», hoy ireo mpivaro-tsolika. Nipoaka mafy ilay minibus teo am-pandonany an'ilay fiara kely ka nidofotra fanindroany indray izy raha nifatratra teo ambony tamboho. Soa ihany fa tsy nisy olona firy tao anatiny.
«Tsy nisy afa-tsy olon-droa no tao anatiny, hoy ihany ireo mpivaro-tsolika, dia ny mpamiliny sy vehivavy iray». Saingy, vantany vao tafavoaka avy tamin'ny loza ilay vehivavy dia niala tsimoramora an'ilay toerana. Ilay mpamily kosa nohazonin'ny polisy teo an-toerana. Tsy nisy afa-tsy izy roa ireo ihany mantsy no nanavotra ny tenany, nanao izay nivoahany avy tao amin'ilay fiara.
Nohazonina ao amin'ny biraon'ny polisy ao Antaninandro moa ilay mpamily. Efa mandeha ny famotorana.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Nalain'ny zandary ny taniny. Afak'omaly hariva no nanomboka nitety trano nanome fampilazana ireo olona mibodo ny taniny ao Marovaventy-Moramanga ny zandarimariam-pirenena any an-toerana. Fianakaviana an-jatony eo no indray voakasik'izany. Fe-potoana telo volana no nomen'ny zandarimaria azy ireo hialàny eo amin'ny taniny.
Ankizy iray namoy ny ainy. Araka ny fanazavana nampitain'ny teo anivon' ny zandarimariam-pirenena dia vokatry ny fandehanana mafy loatra nataon'ny mpamilin'ity fiara kely iray no nahatonga ny loza mahatsiravina nitranga tao Andranonahoatra, fokontanin' Ambohimanarivo, Antsirabe I, ny 7 desambra teo. Tovolahy iray tokony ho 15 taona teo no namoy ny ainy tamin' izany ary iray hafa, 14 taona, kosa no naratra.
Olona telo naratran'ny dahalo. Tezitra tamin'ny tsy nahazoany an'ireo omby nangalariny ireo dahalo nanafika tanàna tao Antanambao, Besalampy, ny 5 desambra teo, ka nandrasany teny an-dalana rehefa niverina avy nanara-dia azy iny ireo fokonolona. Nitifitra ireo mpangalatra ka olona roa no voan'ny bala. Lehilahy iray ihany koa azony nataony takalon'aina. Navotsony ihany anefa izy.
Nangonin'i




Fiaraha-monina
Manana ny zony ny sembana
Toy ny olon-drehetra dia manana ny zony koa ny sembana. Hatramin'izao anefa, na dia anisan'ireo
firenena nanasonia sy nankatò ny fifanarahana mikasika ny zon'ny sembana aza i Madagasikara, dia tsy mbola nivoaka ny fampiharana izany.
Ary izay indrindra no notakian'ireo sembana omaly, teny amin'ny foiben'ny vondrona nasionalin'ny fikambanany na UNAHM (Union nationale des associations des handicapés de Madagascar) eny Behoririka, nandritra ny lanonam-panamarihana ny Fanambarana eran-tany ny zon'ny sembana izay natao ny 9 desambra.
Ankoatra ny fanompoam-pivavahana sy ny kabary samihafa, nisy mantsy ny fampirantiana narahina varotra ny taozavatra sy ny zava-bitan'ireo sembana nandritra ity hetsika ity.
Mazava ny lohahevitra nobanjinin'izy ireo tamin'ny fanamarihana ity andro ity: «Tsy misy zavatra ho anay raha tsy mandray anjara izahay». Ny filoha amboninahitry ny sembana, Ramaroson Odette, sy ny filohan' ny UNAHM, Radafiriantsoa Josoa, no nitarika ny fotoana.




Ambatomaro
Tsy misy mpijery ny faharatsian'ny lalana
Ratsy dia ratsy ny lalana mihazo an'iny Ambatomaro iny. Feno lavadavaka ary ahiana ho potika tanteraka raha izao no mitohy.
Rehefa lasa «nosy kely be dia be» sy lalan-tany tsy azo diavina intsony angamba iny lalana eny Ambatomaro iny, vao ho taitra hanamboatra azy ny tompon'andraikitra. Izay raha fehezina ny fanazavana nomen'ny mponina eny an-toerana raha niresaka ny faharatsian'ny lalana mankeny amin'iny faritra iny, manomboka eo amin'ny sekoly fanabeazana fototra eo Ambatomaro ka mipaka hatrany amin'ny faran'ny zotra 141.
Lavadavaka sy vato kely ary rano mihandrona tokoa no hita eny amin'izao fotoana izao, indrindra fa nirotsaka be ny orana omaly alina. Amin'ny faritra sasany aza moa dia tsy azo ifanenana intsony mihitsy noho izay fahasimbany izay. Tsy maintsy mifampiandry manao laharan-tokana ny fiara. Ny fako rahateo mibahana amin'ny lalana.
Nambaran'ny mponina eny an-toerana fa tsy mba misy izany fanamboaran-dalana izany eny amin'ny faritra misy azy hatramin'izay. «Anisany ambetintenin'ireo mpanao politika rehefa manao fampielezan-kevitra ety aminay ny fanamboarana io lalana io. Nefa avy eo tsy tonga mijery izany akory izy ireo. Dia io izy io», hoy ity renim-pianakaviana iray.
Tamin'ny Repoblika I
«Tany amin'ny fitondran'ny Repoblika voalohany io lalana io no namboarina. Dia hatramin'izao», hoy kosa R. Adrien raim-pianakaviana. Nosoritany fa misy ihany ny filazana sy ny fanambarana amin'ny haino aman-jery ny amin'ny hanamboarana iny lalan'Ambatomaro iny. Fa tsy mety tanteraka mihitsy izany.
«Ny lalana sasany manodidina anay mba vita ihany fa ny anay dia eo foana. Tsy fantatra na tsy hitan'ny tompon'andraikitra mihitsy rehefa hanatanteraka azy izy na ahoana, fa dia mampalahelo», hoy ireo fokonolona eny an-toerana, izay nasiaka dia nasiaka tokoa ary fenofenon'ny hatezerana raha nanontaniana. Notsindrian'izy ireo anefa fa mba anisan'ny faritra mandroso sy misy vahoaka ihany raha ny eny Ambatomaro.
«Izahay fokonolona sy ireo mpandraharaha ary ny orinasa misy ety aminay no mba miezaka manao izay azo hatao, manototra ireny lalana ireny rehefa sendra ny tsy azo hanoharana. Fa ny fanjakana tsy mbola nanao fanamboarana hatramin'izao», hoy ihany ny mponina eny an-toerana.





Vaky trano
Lasibatra ny trano fanaovana tolotrasa
Any amin'ireny trano mitady vola amin'ny fanaovan-tolotrasa samihafa (multi-services) ireny, toy ny fanaovana dika an-tsary, raisoratra, printy ary aterineto, indray amin'izao fotoana izao ireo jiolahy no mamatratra. Trano miisa efatra tamin'izy ireny, omaly alina, no indray vaky teto an-drenivohitra. Tao Ankadifotsy, Antaninandro, teny amin'ny Rasalama sy Andravoahangy ambony.
Efa vaky samy nahazoan'ireo mpangalatra entana avokoa ny tamin'ireo trano telo voalohany ireo, fa ny tamin'ity farany, ilay teny Andravoahangy ambony, izy ireo no tsy nahazo. Nambaran'ireo mponina teo amin'ny manodidina an'ity toeram-pivarotana ity mantsy fa teo am-pikitrana ny varavarana sy ny fanalahidin'ny trano ireo jiolahy no taitra ny mponina ary tonga dia nanao tora-bato azy ireo. Vaky nandositra, araka izany, izy ireo.




Vonoan'olona
Raim-pianakaviana voaheloka
Sazy mihatra telo taona an-tranomaizina miampy fandoavana onitra mitentina 20 tapitrisa ariary no sazy nampiharin'ny fitsarana an'ilay raim-pianakaviana iray monina teny Ambatokaranana izay nahavita namono ny zanany naterany. Tamin'ny alalan'ny fanaparitahana fanafodim-biby, ody kadradraka, tao an-tranony tamin'izay fotoana izay, ny 16 aprily 2003, no nentiny namonoana an'ilay zanany kely izay vao herintaona sy dimy volana monja.
Raha ny fanazavana tao amin'ny efitrano heloka bevava izay nitsarana ny raharaha, dia tratry ny tsy fahasalamana eo amin'ny taovam-pisefoana ity zanany ity, hany ka tsy nahatanty fofon-javatra mahery vaika. Fantany tsara izany, nefa dia niniany natao, araka ny fanamarihan'ny mpiaro ny vadiny izay anisany voampanga ihany koa tamin'ity raharaha ity, saingy nomen'ny fitsarana fahafahana madiodio.
Nohararaotiny ny tsy nahateo an'ilay vadiny nanaovany izany. Sempotry ny fofon'ilay fanafodim-biby, araka izany ilay zaza ka torana tsy nahetsika ary dia izay no nitarika fahafatesana teo aminy.
Ilay vadiny kosa nony niditra ny trano dia novonjen' ilay raim-pianakaviana nodarohana ka torana tsy nahetsika. Dia nalainy ny asidra ka nodorany tamin'iny ny sandriny sy ny tratram-badiny. Dia izy indray no nitory an'ilay renim-pianakaviana avy teo fa izy no nikasa hamono tena sy namono ny zanany.
Nivoaka ny didin'ny fitsarana nony avy eo, ka ramatoa nohafahana ary rangahy nosaziana.




Moramanga
Tranom-bala ana-«kalachnikov» hitan'ny zandary
Hitan'ny zandary tao Moramanga ny fitaovam-piadiana miaramila. Ireo no nanafihana sy namonoan'ireo jiolahy tokantrano telo.
Fitaovam-piadiana tena mahery vaika no hitan'ireo zandarin'i Moramanga nanao fikarohana tao an-toerana tamin'ilay fanafihana tokantrano telo izay namoizan'ain-draim-pianakaviana sy naharatrana olona efatra tao Analaroa andrefan'i Morarano Gara distrikan'i Moramanga, ny alin'ny talata 2 desambra lasa teo. Tranom-bala ana kalachnikov mbola feno roa, ary balam-poleta PA vitsivitsy.
Mikasika ireo tranom-bala roa feno no tena mahazendana. Araka ny fanazavan'ireo tompon'andraikitry ny filaminana tamin'ny mpanao gazety momba ity fitaovam-piadiana ity, dia natokana ho an'ny mpitandro ny filaminana irery ihany itony fitaovam-piadiana itony. Tsy manan-jo hiazona ireny ny olon-tsotra.
Mifanandrify amin'izany mihitsy ny vokatry ny asan'ireo zandary nanao fikarohana tao Moramanga. Nisy tamin' ireo taim-bala hita teny an-toerana izay napoakan'ireo jiolahy nandripahana ireo olona tsy manan-tsiny notafihiny, no nitondra ny laharan'ny bala very tao amin'ny tobin'ny zandary tany Miarinarivo.
Porofo mitohoka amin'ny tendany izany izao fa tsy avy aiza velively ny fihavian'ireny fitaovam-piadiana anaovan'ny jiolahy fanafihana etsy sy eroa ireny fa avy ao amin'ireo mpitandro ny filaminana ireo ihany.
Zandary voarohirohy
Io aloha ny vokatry ny zava-nitranga, tamin'ny fahavakisan'ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana tany amin' ny tobin'ny zandary tany Miarinarivo izay nahavoarohirohy manamboninahitra sy zandary vitsivitsy. Vao omaly koa dia polisy roalahy no tratra nivaro-basy teny Ankorondrano ka notanan'ny Fampanoavana am-ponja.
Tsy lavitra ireo trano notafihin'ny jiolahy, raha ny vaovao azo, no nahitana an'ireo fitaovam-piadiana mahery vaika tratra ireo. Izany hoe latsaka teny am-pandosiran'ireo jiolahy tamin'ny fifampitifirany tamin'ireo zandary nanao ny famonjena.
Bala eo amin'ny 60 isa eo no indray hita tamin'ireo tranom-bala roa. Izany hoe feno bala mihitsy izany ilay tranom-bala fa efa lany tamin'ny fanapoahany azy, nitifirany olona, ny sasany. Olona efatra moa amin'izao fotoana izao no eo efa voasambotr'ireo zandary, ary mbola mandeha ny famotorana azy ireo.





Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Teratany vahiny lany fetr'andro. Entitra ireo manampahefana any amin'iny faritr'i Nosy Be amin'ny fanaraha-maso ny fihetsik'ireo teratany vahiny tonga any aminy. Teratany vahiny iray afak'omaly, no tratran'izy ireo tsy manan-jo intsony hijanona eto Madagasikara. Izany hoe lany fetr'andro hivahinianana eto amintsika.




Espace Mahatazana
Mpampianatra marenina nahavita fiofanana
Malagasy miisa folo mianadahy, izay misalotra ny anarana Diantanana, no indray navoaka tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Espace Mahatazana eny amin'ny Fort-Voyron Ambohijanahary, omaly. Mpandika teny amin'ny tenin'ny tanana izy ireo. Ny fampianarana ireo olona tratry ny fahasembanana ara-pandrenesana, na ny marenina raha tsorina, mantsy no tena fototry ny fiofananan'izy ireo.
Noho ireo sembana ireo tsy mba afaka mandre izay teny lazaina aminy dia tsy maintsy ny tanana no ampiasainy hifaneraserana amin'ny manodidina sy hanehoana hevitra. Ary dia ny fianarana izany, mba hampitàna amin'izy ireo ny fahalalana rehetra, no nahafoizan'ireto mpandika teny amin'ny tanana ireto nianatra izany.
Nandritra ny herintaona ny niofanan'izy folo mianadahy tao amin'ny sekoly ambony Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management na Estim, izay ao anatin'ny tetik'asa Interpreter Training novolavolain'ny federasionan' ny marenina eto Madagasikara.
Tsy mbola ampy raha miohatra amin'ny isan'ireo sembana ara-pihainoana eto amintsika ny isan'ireo mpandika ny teny ho azy ireo. Misy eo amin'ny 170 000 eo ny isan'ireo marenina araka ny tarehi-marika navoakan'ny OMS, nefa tsy misy afa-tsy 28 eo ny isan'ireo mpandika teny sy mpanamora fifandraisana natokana ho azy ireo. Ankoatr'izay, vitsy amin'ireo manana fahasembana koa, latsaky ny 1%, ny mba nandia fianarana natokana ho azy. Mbola mila ezaka lehibe dia lehibe, araka izany, ny fikarakarana azy ireny.




Fameloman-tena
Jamba mahay mipasoka
Na dia tsy mahita aza dia mihetsiketsika manao izay ho vitany i Sylvain. Mikarama mipasoka ny lehilahy.
15 taona izay no tena nahajamba ahy tanteraka. Tsy mahita na inona na inona afa-tsy ny hazavana sy ny haizina aho, hoy i Sylvain Rasamoelina. Teo amin'ny faha 13-n'ny taonany izy no nambarany fa nanomboka sahirana ara-pahitàna. «Nihananjavona tampoka teo ny masoko ary nihanihena ny fahitako. Mbola afaka nandeha irery ihany aho tamin'izany, fa nony feno 25 taona aho vao tena tsy nahita na inona inona intsony», hoy izy nitantara.
Dia lasa izy niditra tao amin'ny fikambanana iray miahy ny jamba ao Andavamamba. Na dia efa nahay mamaky teny sy manoratra aza izy fony mbola nahiratra, dia niverina nianatra ny abidy sy ny fanoratana natokana ho an'ny olona tsy mahita. Dia nianatr'asa ihany koa, toy ny fanaovana an'ireny vy kely fanapaingorana taratasy ireny, ny mofomamy... «Mahay manao an'ireny aho ary mandray komandy mihitsy», hoy izy.
Tsy nijanona teo ny fianarana norantovin'i Sylvain fa mbola nitohy. Niditra ho mpikambana tao amin'ny Fivondronan'ny fikambanan'ny sembana eto Madagasikara, izay manana ny foibeny ao Behoririka izy nony taty aoriana. «Nianatra nipasoka sy nametaka bokotra indray aho tao», hoy izy.
Tsy kivy amin'ny asa
Nosoritany fa amin'ny jamba, dia ny tanana no tena miasa betsaka. «Amin'ny tanana no itsapana ny lavaky ny herin'aratra hanatsofohana ny fera. Toy izany ihany koa ny fitsapana ny fera hifanaraka amin'izay hatevina sy endriky ny lamba ho pasohana», hoy izy. Fantatra eo, araka izay fitsapana amin'ny tanana izay, ny endriky ny lamba, na manify na matevina, dia hatao araka izay ihany koa ny hafanan'ny fera. Vita ny pasoka dia mbola izy ihany no mamalona azy tsara.
Mikarama mipasoka no ataon'i Sylvain ao Behoririka. Samy sembana daholo izy no ao amin'ity foibe ity ary samy manana ny anjara asany daholo. «Asa mandeha komandy daholo ny anay ato, samy manao izay ho vitany ny sembana tsirairay araka izay kilemany avy, ary isam-bolana no raisina ny karama».
20 000 ariary isam-bolana no karamany amin'izany ary izay vola keliny izay no mba entiny hikarakarana ny fiainany. «Kely tsy mahavita inona firy ny karama. Nefa toy ny sotro ranon'akoho, ka izay kely azo andrandraina». Ny faniriany, iombonany amin'ireo namany sembana, dia ny mba hanohanan'ny fanjakana ny fikambanana miahy an'ireny sembana ireny. Efa mba miezaka tsy ho enta-mavesatra ho an'ny manodidina azy mantsy izy ireo.





Fanadiovana
Sokirina ny farihin'i Masay
Diovina ny farihin'i Masay. Hisorohana ny fahatondrahan' Antananarivo no antony.
Diovina amin' izao fotoana izao ny farihin'i Masay. Amin'iny lohasaha avy ao atsinanan'ny farihy iny no tena iompanan'ny asa amin'izany. Ao mantsy no tena misy ny vavarano lehibe indrindra amin'ny fitondrana ny rano maloto avy amin'ny faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra toa an'Ankatso, Manjakaray, Andravoahangy, ...
Ny farihy hafa koa
Izany ny fanazavan'ny tale jeneralin'ny Apipa na ny Autorité pour la protection contre l'inondation de la plaine de Tana, Rateloson Phillip, izay tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny farihy. Nosoritany anefa fa efa nanomboka niakatra eo amin'io vavarano io tamin'ireny rotsak'orana vao nanomboka ireny ny ranon-tany sy ny fotaka isan-karazany entin'ny riaka. Ka izay no tsy maintsy hanadiovana azy mialoha ny tena fidiran'ny fahavaratra, mba hisorohana ny fahatsentsenany, sy tsy hahafefiky ny rano an'Antananarivo.
«Tsy maintsy sokirina, diovina tsara izany, mba hitazonana ny velaran'ny farihy», hoy ihany ny talen'ny Apipa. Nosoritany fa tsy mijanona eo amin'ny farihin'i Masay ihany ny asa amin'ity fisokirana ny farihy ity fa hihitatra amin'ireo farihy misy eto an-drenivohitra toa ny farihin'Anosy, Behoririka.
Efa ho iray volana teo izay, raha ny fanazavana nomen'ny talen'ny Apipa, Rateloson Phillip ihany, no nanombohan'ny asa eo amin'ny farihin'i Masay. Nomena orinasa tsy miankina ny asa ary izy io no miantoka izany.
Mpiasa tsy latsaky ny 50 lahy eo, araka izany, no indray mirotsaka eny an-toerana manao ny asa fanadiovana. Ao ny miroboka ao anaty rano miaraka amin'ny angady, ao kosa ny mamily ireny fiara be ireny, mandraoka sy mitaona ny fotaka. Tsy lavitra fa eo Andranobevava ihany, amin'ireo honahona eo an-toerana no hanariana ny fotaka avy eo Masay.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Paositry ny zandary vaovao. Notokanana omaly ny paositry ny zandary ao amin'ny kaominin'Anosiala, distrikan'Ambohitratrimo. Ho fanamafisana ny fandriampahalemana eny anivon'ny vahoaka no anton'izany. Miantso ny fiaraha-miasa amin'ny vahoaka, araka izany, ny komandin'ny fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, ny jeneraly Rabetrano Faly, mba hampisy ny vokatra.
Dahalo roa maty. Tsy naharesy ny fanoherana nataon'ny zandary ireo dahalo ka namoy ny ainy ny roa. Na izany aza dia nisy lehilahy iray tamin'ireo fokonolona voan'ny bala. Tafaverina tamin'ny tompony avokoa ireo omby 48 nangalariny. Ny roa tamin'ireo efa novonoiny teny an-dalana. Tao amin'ny tanànan'Ampandrana atsimo, kaominin'i Bemahatazana, distrikan'i Tsiroanomandidy no nisehoan'izany.
Rivo-mahery nandrava trano. Trano miisa 191 no indray ravan'ny rivo-mahery tao Befandriana avaratra, faritr'i Sofia, ny 11 desambra, tamin'ny 4 ora hariva. Olona iray no naratra vokatr'izany, nianjeran'ny trano. Manodidina ny 1 000 eo kosa ireo tsy manan-kialofana.
Naharitra adiny roa ny fandalovan'ilay rivo-mahery tany an-toerana.
Nangonin'i




Tranga hafahafa
Nohodidin'ny avana ny masoandro tamin'ny mitatao vovonana
Toe-javatra nanaitra sady nahaliana ny maro izay nahita ny zava-nitranga teny amin'ny lanitra,omaly antoandro. Zava-nisy teo amin'ny masoandro io satria nohodidinin'ny
avana ny fibaliakany.
Niseho niavaka tsara izany lokon'ny Avana izany, na dia nolalovan'ny rahona aza indraindray ny lanitra mangamanga.
Nanomboka teo amin'ny mitataovovonana no nahitana izany endriky ny masoandro niaraka tamin'ny avana izany, ka hatramin'ny 3 ora tolakandro. Izany hoe rehefa folaka ny hazavany vao niala tsy hita ilay avana nanodidina azy.
Tsy voazava
Nilaza ho tsy mahafantatra izay dikan'izany zava-niseho izany moa, raha nanontaniana, ny teny amin'ny trano fandinihana ny habakabaka eny Ambohidempona. « Ny
zava-misy eny amin'ny lanitra amin'ny maraina sy ny amin'ny alina ihany no dinihanay », hoy ny tompon'andraikitra tratr'antso teny an-toerana.




Tsena Noely
Mangingina ny mpividy
Tsy dia mandeha firy ny tsena Noely amin'izao fanombohany izao. Tsy mbola nandray vola ny ankamaroan'ny olona.
Efa saika misokatra avokoa amin'izao fotoana izao ireo tsena Noely rehetra napetraky ny kaominin'Antananarivo renivohitra, raha oharina tamin'ny andron'ny alatsinainy nanombohany. Feno ny mpivarotra, indrindra ho an'ireo mpivarotra fitafiana sy vatomamy ary kiraro efa niasa, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Mahamasina sy Ambodin'Isotry.
Saingy ny indro kely, araka ny fanazavan'ireo mpivarotra, ny mpividy no somary vitsy.
« Tsy mbola tonga amin'ny ilana azy ny mpividy. Mbola tsy nandray karama ny ankamaroan'ny olona ka izay no antony mbola mahavitsy azy », hoy Angéline, mpivaro-damba tonta avy any ivelany, eny Mahamasina.
Niaka-bidy
Nosoritany fa na dia betsaka aza ny magazay sinoa izay mivarotra fitafiana sy entana vaovao, dia mbola mahasarika olona maro ny lamba tonta sy ireo kojakoja efa niasa avy any ivelany. Maro karazana izy ireny, misy ny azo hatao fitondra, misy ny ho entina mivoaka andavan'andro, ka samy mijery izay tiany amin'izany ny mpividy. « Saika misy zava-baovao miseho foana sy mahavariana rahateo amin'ireny fitaovana sy kojakoja efa niasa ireny ka manintona ny mpividy », hoy indray Liva, mpivarotra kojakoja ao an-tokantrano.
Eo amin'ny vidin'ny entana no tsinjon'ireo mpividy ho somary niakatra kely. « Misondrotra mantsy ny vidin'ny entana any amin'ny toerana hakana azy ka izay no mahatonga ny fiakarany. Efa tamin'ny septambra no nisy izany ary tsy mitsahatra satria mahatratra hatrany amin'ny 600 000 ariary amin'izao fotoana izao ny vidin'ny iray gonin-damba tonta milanja 100 kilao raha 400 000 ariary izany teo aloha », hoy ireo mpivarotra.
Mikaikaika amin'ny tsy fisian'ny mpividy toy izany koa ireo mpivarotra vatomamy.
« Mbola variana any amin'ny fitafiana ny olona ka raha tsy efa tena akaiky ny fety tsy mividy vatomamy », hoy izy ireo.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Dahalo nahatrarana basy sy bala. Basim-borona iray vita gasy niaraka tamin'ny balany miisa dimy no indray tratry ny zandary teny am-pelatanan'ity dahalo iray tao Androvakely, ao anatin'ny kaominin'Antanetibe distrikan'Anjozorobe, ny alahady teo. Tao anaty sakaosy no nafeniny ireo fitaovam-piadiana ireo, ka ny fokonolona no nampandre ny zandary amin'ny fisavana azy.
Vehivavy nidiran'ny fanahy ratsy. Avotra ilay renim-pianakaviana iray tao Antsahadinta izay nidiran' ny fanahy ratsy ka nanery ny vadiny hanadio fatsakam-bazimba tao an-toerana. Ny sampana fifohazana avy ao amin'ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina no nidina tany an-toerana nanavotra azy. Efa nalemy tao am-pandriana moa izy tamin'izany fotoana izany.
Poketra lasan'ny mpanendaka. Tongotra an-katoka fotsiny ireo jiolahy roa, namakivaky an'i Soarano iny, nitondra ny poketram-behivavy iray avy nangalariny teo Behoririka. Renim-pianakaviana iray handeha hividy entana no nampiharan'izy roalahy ny herisetrany tamin'izany. Na ny polisy sendra nandalo nanao fisafoana ny tanàna aza dia nivanaka.
Nangonin'i




Zon'ny ankizy
Misokatra ny laharan-tariby maitso
Am-perin'asa nanomboka ny 15 desambra teo ny laharan-tariby maitso, 805, iantsoana ny polisim-pirenena amin'ny fiarovana ny zaza sy ireo ankizy tsy ampy taona manoloana ny herisetra sy ny fampiasana atao amin'izy ireny. Ny fiaraha-miasan'ny polisy amin'ny orinasa Zain ary ny Unicef, no angady sy vy nahitàna izany.
Maimaim-poana ny fiantsoana ity laharan-tariby maitso ity, ary nosoritan'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena, Talbot Antonin, fa hajaina araka ny fanajan'ny polisy ny tsiambaratelon'ny asa, ny anaran'izay olona manome vaovao na manampy azy ireo amin'ny fanatanterahana izany andraikiny izany.
Marobe mantsy raha ny fanazavan'ny kaomisera Randriambelo Mandimbiniaina, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fiahiana ny zaza tsy ampy taona ao anivon'ny polisim-pirenena, ny herisetra mianjady amin'ny zaza. Ao ny fampiasana azy tsy ara-drariny, ny fanolanana, ny tsy fiahiana, ny fampiasana azy ao an-trano...
«Efa manomboka mihasahy amin'ny fanomezam-baovao sy fametrahana fitarainana momba azy ireny ny olona amin'izao fotoana izao», hoy izy.




Antaninarenina
Mirindra tsara ny fiantsonan'ny fiara
Mpiasan'ny kaominina indray no mandamina ny fiantsonan'ny fiara eny Antaninarenina. 200 ariary isan'ora ny saram-pijanonana.
Endrika vaovao miaraka amin'ny fanamiana miavaka, lobaka fotsy sy pataloha mainty ary satroka mainty. Ireo indray amin'izao fotoana izao no mitantana sy mandamina ny fipetrahan'ny fiara eo amin'ny fiantsonana eo Antaninarenina. Izany hoe eo amin'iny faritra eo ampitan' ny Roxy iny, ary mivoaka any amin'ny BMOI any.
Raha ny fanazavan'ireo mpiasa eo an-toerana dia ny kaominin'Antananarivo renivohitra no nametraka azy ireo hiasa eo amin'io toerana io. «Mpiasa vaovao mihitsy izahay ireto, fa tsy misy tamin'ireo tovolahy niasaasa, nitady vola taloha teto», hoy i Tahiana, iray amin'ireo mpiasa eny an-toerana. Ny kaominina, araka izany, raha ny fanazavany, no manakarama azy ireo.
Nosoritany fa na ny asa hatao aza dia narindra tsara. Izany hoe ankoatra ny làlana afovoany izay handehanan'ny fiara, dia nasiana làlana hahafahan'ny fiara miala ihany koa ny avy any an-damosina avy any avaratry ny fiantsonana. Afaka ilaharan' ny fiara roa hijanonana mantsy eo ka mba hahamora ny fivoahan'ny fiara iray no antony nanaovana izany.
Fanatsarana ny tanàna
«Ny fomba fiasa eto : raisina ny nomeraon'ny fiara mijanona. Arahi-maso ny ora ijanonany eo, ka rehefa mivoaka izy vao mandoa vola, arakaraka ny fotoana nijanonany teo», hoy ihany i Tahiana. Nosoritany mantsy fa mandeha amin'ny ora ny saran'ny fiantsonana. 200 ariary isan'ora.
Mpiasa efatra izy no indray manatanteraka ny asa fandaminana eny an-toerana amin'izany, roa avy aty amin'ny faritra amin'ny Roxy, ary roa hafa avy any amin'ny faritra misy ny BMOI.
Raha ny fanazavana nomen'ny talen'ny tsena monisipaly eo anivon'ny kaominina, Hasina Razafindrakoto, izay tompon'andraikitra amin'ity fiantsonan'ny fiara eto an-drenivohitra ity, dia nambarany fa tafiditra ao anatin'ny fanatsarana ny tanàna avokoa izany rehetra izany.
Misy amin'ireny mpandamina ireny no efa mpiasan'ny kaominina, misy kosa no mpiasa vao noraisina. Efa tamin'iny fiandohan'ny volana novambra iny no nanomboka niasa izy ireo. «Toeram-piantsonana enina, izay no ezahina hatao eto an-drenivohitra, ka ny eo Antaninarenina sy eo Analakely ary ny eo amin'ny Pergola no efa mandeha tsara», hoy izy.
Ho an'ny mpanjifa moa etsy andanin'izay, dia mametraka ny ahiahiny izy ireo amin'ny fandriampahaleman' ny fiara. «Betsaka ireo olona mipetrapetraka sy mivezivezy ety, nefa tsy misy antoka ny fiara», hoy izy ireo.




Enga ho demokrasia ka raha sanatria jadona ?
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Ny « hafatra » nokasain'Antananarivo nomena an-dRavalomanana, tamin'ny fifidianana ben'ny tanan'Antananarivo, moa ve nampoiziny ho entina hamoriana ny mpanohitra hatramin'izay sy ny very seza tato ho ato ? Inoako marimarina fa tsy nanampo izao fisehoan-javatra izao ireo tsy nifidy ny kandidam-panjakana naroson'ny TIM. Tsy manampo matetika ny vahoaka fa dia entin'ny fo (na ny tendrom-po) ka ny nenina mandatsa azy aoriana hatrany.
Samy niezaka nampiranty ny olona voataona avy, na ny gazety momba an'Iavoloha na ny gazety miandany amin'ny Besarety : nozahako ny lisitra, na ny avy atsy na ny avy aroa, ka indreo ireo mpanao politika efa nanakorontana sy nampidi-kizo ny firenena hatrizay efapolo taona lasa izay ihany no tazako, na tatsy na taroa. Dia hoy aho hoe : fiovana inona no azo andrandraina amin'ny tonta mivadibadika ?
Fanontaniana tokana ihany dia tampina ny daomy : « Fa moa tsy ireo ihany ve no nitondra an-dRavalomanana teo amin'ny fitondrana ? ». Raha mihoa-pefy Ravalomanana, ahoana no hialan'ireo maina fotsiny amin'ny Tantara ? Fa taiza ireo fa moa tsy tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, nanompa an-dRatsiraka ary nanao Mesia an-dRavalomanana ? Olona toy ireo ary fihetsika toy izany hatrany no tany lonaka hanirian'ny jadona. Tsy nampoizina, hono. Intelo tsy manampo -1972, 1991, 2002 - na hadalana na fanahy iniana.
Sarotra amiko ny hino fa ireo no ho avin'ny firenena. Ny fanaovana amboletra tamin'ny 2002 no nahatonga an-dRavalomanana teo amin'ny fitondrana. Amboletra vaovao hanosehana an'iza indray no kasaina ankehitriny ? Fahan-dalitra, tian-ka hano, tsy tian-ka hano. Dia ahoana indray ny manaraka ? Sa hoe tsy misy antony izany fa korontanina aloha ny vato vao avela maka toerana, satria alohalika ny ranombary. Lazaina hoe tsy misy mangidy tsy andramana, saingy toa lasa andrakandran-dava tsy misy farany. Nandramana ireny Ratsiraka, nandramana indray ny Hery Velona, nandramana Ravalomanana. Ny vahoaka tsy manampo, ny mpanao politika misangy vintana manao antsapaka.
Ny « kianjan'ny demokrasia » tena marim-pototra dia ao an-tsain'ny tsirairay fa tsy ilaina faritana eny an-dalambe, tsy ilana filaharana etsy na eroa. Ny mpitondra : mahatanty tsikera, mahazaka fanakianana, miezaka mandresy lahatra. Ny vahoaka : tsy mihinana amam-bolony, tsy manao Andriamanitra na iza na iza, ary mba manampo zavatra.
« Aza hasohasoina tafahoatra, aza hosorana ilo mihoatra ny loha » : izany hono no teny napetrak'izany Pierre Olivaint izany, mpampianatra jezoita (1) . Taizao ho lalim-paka ao an-tsain'ny filoha sy ny vahoaka izany vao afaka miresaka momba ny demokrasia isika Malagasy. Ankoatra izay mantsy, antsapaka tsy ampoizina : enga anie ka ho demokrasia, sanatria anie tsy ho jadona...
(1) Jean Lacouture, Jésuites : une multibiographie, tome 2, chapitre XI, p.399. Asa, ireo mpianatra maintimolalin'ny Jezoita tao amin'ny Kolejy Saint-Michel raha mampihatra izany isan'andro ? Fanontaniana misy ho sainina mandra-pahatongan'ny sabotsy 20 desambra hivoriana eny amin'ny « Sahan-dRanarivelo », etsy Alarobia-Tsarasaotra.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Trano fianarana kila forehitra. Tsy nisy niangana na dia iray aza nanaovan'ny afo azy ireo kojakojam-pianarana tao amin'ny EPP Ambalataratasy, fokontanin'i Benangana, kaominin'Anjoma Ihasa, distrikan'Isandra. May tao ny dabilio, ny kahien'ny mpianatra, ny labatry ny mpampianatra, ny solaitrabe... Efitra efatra no indray kila tamin'izany. Tsy fantatra mazava ny fototry ny afo. Efa mandray andraikitra nanao ny famotorana ny zandary any an-toerana.
Zaza roa indray main'ny afo. Haitrano nitranga tao Saha, fokontanin'i Fenoarivo, kaominin'Antsenavolo, distrikan'i Mananjary, ny 14 desambra teo, no nahatonga ny fahamaizan' ireto zaza roa ireto. Tavela tao an-trano izy ireo ka maty kilan'ny afo tao. Afo nandrahoana sakafo teo an-tokontany no nahatonga ny loza. Kila forehitra tao koa ny fitafiana maro isan-karazany.
Nangonin'i




Tsaralalàna
Fiara no anafenana ny entam-barotra
Mahatsikaiky mihitsy ny fihetsik' ireo mpivarotra amoron-dalana eny Tsaralalàna, dia ireo mpivarotra fitafiana isan-karazany avy amin'ny orinasa afaka haba eo ampitan'ny tranon'ny minisiteran'ny Vola eo.
Hay ny ankamaroan'ireto fiara mijanona eo amin'ny sisin-dalana eo akaiky eo ka saika azy ireo avokoa na ambenany. Ary dia ao izy ireo no mametraka sy manafina ireo entam-barony rehefa mandalo ilay fiara mangaben' ny Kaominina, mpandraoka ny entan'ireo mpivarotra amoron-dalana.
Toy ireo tetika fanaon'ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra dia efa manana mpitsikilo ny fandalovan'ny fiara mangabe izy ireo. Ka raha vao miala any araka ny filazan'izy ireo ilay fiara be, dia poa tahak'izay ny fitondrany ny sobika keliny feno entana afenina ao anaty fiara.
Dia mijorojoro eo amoron-dalana mitazana ny fandalovan'ny fiara sisa no ataon'ireo mpivarotra. Tsy mamoaka ny entana raha tsy efa lasan-davitra i Mangabe sy ireo mpiasan'ny Kaominina. Dia toy izany hatrany !
Tsy ho afaka mihitsy, raha izany, ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Ady goavana atrehin'ny tompon' andraikitra eo anivon'ny Kaominina io.




Fitaterana
Mihena ny saran-dalana mankany Antsirabe
Tsy niakatra ny saran-dalana mankany Antsirabe, 8000 ariary ihany. Mbola azo iadiam-barotra aza izany.
Zava-baovao tsy fahita toy ny hatramin'izay ny zava-misy eo amin'ny saran-dalana mankany Antsirabe amin'izao fotoana izao, raha tsy hilaza afa-tsy io zotra io. Amin'izao ankatoky ny fety izao dia nidina hatrany amin'ny 6 000 ariary ny saran-dalana.
«8 000 ariary no tena nifanarahan'ny kaoperativa tsirairay amin'ny saran-dalana fa afaka miady varotra ianao. Dia mahazo 7 000 ariary. Misy aza mitondra 6 000 ariary mihitsy», hoy Rafidy, mpanera iray miasa eny an-toerana. Nambarany fa noho ny habetsahan'ny mpandeha sy ny fiara izay maro isafidianana no anton'izany trangan-javatra izany.
Tsinjara tokana
Raha ny fanazavan'i Mirana, tompon'andraikitra iray eo amin'ny fanamarinana ny isan'ireo mpandeha amin'ny zotra iray mantsy dia hatrany amin'ny 30 % ny fitombon'ny mpandeha mankany Antsirabe amin'izao fotoan'ny fety izao, raha miohatra amin'ny isan'ny mpandeha andavan'andro. Ny koperativa miasa amin'io zotra Antsirabe-Antananarivo io koa betsaka rahateo, mahatratra 21. Ary izany rehetra izany no mahatonga ny ady varotra eo amin'ny saran-dalana satria ny mpandeha malalaka tsara amin'ny fisafidianana izay fiara tiany handehanana. Dia taraiky eo izay mihanahana.
Marihina fa efa mihatra amin'ireo fiara mpitatitra eny amin'ity fiantsonana eny amin'ny Fasan'ny Karana ity ilay rafitra napetraky ny kaominina momba ny Tsinjara tokana (guichet unique) sy ny ATTR na ilay sampan' orinasa ho an'ny fitaterana an-tanety, amin'ny Sampam-panamarinam-piara (Unité de contrôle des véhicules), natokana ho an'ny fiara mandeha.
Tsy misy intsony, araka ny fanazavan'i Ralaho Zephirin, tompon'andraikitra ao amin'ny ATTR, sy Mirana, tompon'andraikitra eo amin'ny fanamarinana ny isan'ny mpandeha, ny fiara mameno olona any ivelan'ny fiantsonana. «Iharan'ny sazy tsy misy hatak'andro izay tratra manao izany. Esorina aminy ny antontan-taratasiny rehetra amin'ny fahazoan-dalana mamily fiara. Mety hitarika hatrany amin'ny fampidirana ny vala fanasaziana mihitsy aza izany. Folo andro farafahakeliny», hoy izy ireo.
Tsy maintsy mankaty amin'ny toeran'ny fiantsonan' ny fiara, araka izany, ny fiara rehetra mameno mpandeha.




Anjanahary
Roa naratra mafy notrongisin'ny kamiao
Mpandeha an-tongotra roa no indray naratra mafy, ankizikely ny iray ary raim-pianakaviana ny faharoa. Nodonin'ny kamiao izy ireo omaly teny Anjanahary. Nandalo an'iny fasam-bahiny iny indrindra ity kamiao ity no sendra ny fahatapahan'ny hisatra tampoka.
Fiara taxi-be iray handeha hiakatra ho any Ampasampito any aloha no nodoniny. Nihemotra io ary nandona fiara 4x4 iray tao aoriany. Tsy mbola tafajanona ihany ilay kamiao teo fa mbola nandona fiarakaretsaka iray hafa nijanona teo amoron-dalana. Mbola lasa ihany izy ary fiaran'olona iray hafa tao aorian'io indray no nifatrarany.
Tao aorian'ilay fiara taxi-be voalohany nodoniny no nisy an'ilay raim-pianakaviana voadona. Hiampita izy tamin'io fotoana io ary dia tery tao anelanelan'ny fiara roa nifandona tao. Tapaka teo ny tongony.
Ilay ankizikely kosa, nandeha an-tongotra niaraka tamin-drainy. Teo akaikin'ilay fiara farany nodonin'ity kamiao indray izy mianaka tamin'io fotoana io, ary teo amin'ny tandrifin'ilay zaza no nifatratra ilay kamiao.
Soa fa tsy nisy aina nafoy. Nahatratra folo tany moa ireo naratra tamin'ity lozam-pifamoivoizana ity, satria nisy naratra ihany koa ireo tao anatin'ilay fiara mpitatitra.




Behoririka
Antsasaky ny arabe sisa no an'ny fiara
An'ny mpivarotra amoron-dalana ny sisin-dalana sy ny arabe. Raha ny eo Behoririka dia tsy afaka manao laharan-droa intsony ny fiara.
Miroborobo tsy hay fefena ohatry ny anana mihitsy amin'izao fotoana izao ny mpivarotra amoron-dalana. Izay toerana aleha rehetra, ka mety ho vory olona eto an-drenivohitra, feno azy daholo. Izany no hita eny Mahazo, Mahamasina, Tsaralalàna, Ambodin'Isotry, 67 ha. Ny eo Analakely, Soarano ary Behoririka moa tsy lazaina intsony. Azy ireny mihitsy ny sisin-dalana sy ny arabe.
Dia fety tokoa ny andro ka mba samy mitady kely ny sitrany ahay !
Na izany aza anefa, misy efa tafahoatra loatra ny ataon'izy ireny amin'ny faritra sasany, toy ny eo Behoririka, satria dia ny arabe mihitsy no bahanan'ireo mpivarotra ireo. Manao laharan-droa eo izy ireo, ary ny antsasaky ny arabe sisa no andehanan' ny fiara, satria ny mpandeha an-tongotra sy ny mpividy ihany koa tsy mahita tany handehanana, ka voatery mandeha eny am-povoan'arabe.
Fangalam-piery lava
Ny mpamily fiara indray, araka izany, no lasa mihafihafy miala ireo mpivarotra sy mpividy, mba tsy handona azy. Ka zary lasa manao laharan-tokana raha mahazaka laharan-droa io làlana io isan'andro. «Ny tsy fantatr'ireo mpivarotra amin'ity eto Behoririka ity, raha misy fiara sendra tsy mahatazona ny hisatry ny fiara tampoka, (satria fidinana eo), dia ho faty olona mikarakarana no ho hita», hoy ity mpamily fiara mpitatitra iray.
«Miasa tsy tapaka manohy ny fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana izahay. Fa rehefa dila ny fiaran'ny kaominina, dia iny ireo mpivarotra no mirotsaka», hoy ny talen'ny tsena monisipaly, Razafindrakoto Hasina. Nosoritany mantsy fa na dia mianoka ao anatin'ny fety aza, tsy tokony hisy baranahiny sy fanelingelenana ny hafa mihitsy, ny mpandeha an-tongotra sy ny mpamily fiara. «Ametrahanay fiara mangabe mihitsy eo Behoririka eo. Fa toy ny teo aloha ihany no ataon'ireo mpivarotra. Ny fiara anefa tsy afaka ny hajanona eo an-toerana mandritra ny fotoana maharitra», hoy ihany izy.
Manana ny ekipany manao ny asa fanadiovana eo amin'ity toerana ity ihany koa ny eo amin'ny fokontanin'i Behoririka Tsiazotafo. Saingy nambaran'ny sefo fokontany izay tompon'andraikitra tamin'ny fametrahana izany, fa tsy miditra intsony eo amin'ny asa fanadiovana izy ireo. «Efa noraisin'ny kaominina ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana, ka tsy manao an'iny intsony izahay», hoy ny sefo fokontany Andrianarimanana Sanda. Ny fanaraha-maso ny fandriampahale- mana toy ny fitiliana mpanendaka sy mpangarom-paosy sisa no ataon'izy ireo, raha ny fanazavan'ny sefo fokontany ihany.




Antsirabe
Le bureau du Reg TIM installé
Après avoir vécu dans une certaine ambiance de suspense, le parti Tiako I Madagasikara de la région Vakinankaratra s'est réuni samedi 13 décembre à l'hotel Avana d'Antsirabe pour installer son bureau régional (Reg TIM).
José Anthony Randrianantenaina, député d'Antsirabe II, est réélu en tant que président régional. Il était proposé par le bureau national du TIM.
«Le président doit être un rassembleur et doit avoir une vision pour le développement de sa région et du parti», a énoncé le sénateur Yvan Randrianasandratriniony, président national du parti au pouvoir, lors de son discours à la présentation officielle.
Le président régional a promis de son côté de faire de son mieux, et a appelé à la responsabilité des membres du Reg TIM.
« Les programmes que j'ai proposés pour mon premier mandat ne sont pas tous réalisés, mais je ne ménagerai aucun effort pour les accomplir, avec la collaboration des militants», a affirmé José Anthony Randrianantenaina.
Les autres membres du bureau de Reg TIM sont : le sénateur Lantoniaina Rabenantoandro, premier vice président, le chef de région Etienne Randimbiharimanana, deuxième vice président, et le président du conseil régional Solo Rabemizana, secrétaire général.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Raim-pianakaviana maty voadonan'ny fiara. Teny amin'ny hopitaly no namoy ny ainy ilay
raim-pianakaviana nodonin'ny fiara teny Ambohimanala, kaominin' Andoharanofotsy, ny 17 desambra hariva teo. Izy sy ny zanany no indray niharan-dozam-pifamoivoizana tamin'io. Saingy ilay zanany tsy dia naninona fa izy no naratra mafy. Vokatry ny fandehanan'ilay fiara mafy moa, no nahatonga ny loza.
Tobin-dry masera nidiran'ny mpangalatra. Novakian'ny mpangalatra, ny alin'ny 21 hifoha 22 desambra teo, ny tobin-dry masera teny Mandrosoa Ivato. Ny fitaratry ny fiara teo an-tokontany izay novakian'izy ireo no nahataitra ireto relijiozy. Mpangalatra no hitany avy hatrany teo an-tokontany saingy niporitsaka izy ireo.
Nangonin'i




Mandrosoa Ivato
Mpitandro ny filaminana taloha mpitarika fanafihana
Fantatra izao, araka ny fanazavana nampitain'ny zandarimaria, fa mpitandro ny filaminana teo aloha, voaroaka tamin'ny asany, no mpanao fanafihana mitarika ireo andian-jiolahy eto amin'ny faritr'Antananarivo sy ny manodidina. Tsy mbola tratra izy io fa avy tamin'ireo namany voasambotry ny zandary no nivoahan'izany.
Namany roalahy mantsy no indray tratry ny zandary avy ao amin'ny paositry ny zandarimaria eny Mandrosoa Ivato, ny 15 desambra teo. Fanafihana magazay mpamongady iray teny amin'iny faritr'i Mandrosoa Ivato no notafihan'izy ireo, ny alin'ny 29 novambra teo.
Maromaro ireo jiolahy izay nitondra basy poleta sy tsifotr'entona (Big-Boss). Ny fitakiana ny vola avy hatrany no nataony raha vantany vao tafiditra tao an-trano izy. Lelavola mitentina hatrany amin'ny 5 400 000 ariary miaraka amin'ireo firavaka volamena samihafa no lasany.
Nitondra fiara ihany koa ireto mpanafika ka io no
nitsoahany rehefa vita izay nataony. Nandeha ny fikarohana nataona'ny zandary, ary noho ny fanomezan-tanan'ny fokonolona sy ny manodidina dia sarona ireo jiolahy. Tsy nampoiziny fa avy tamin'ny alalan'io fiara nentiny io ihany no nahafahan'ny rehetra nanaraka ny mombamomba azy ireo.
Roa no indray tratra tao anatin'ny roatokombolana monja. Voalaza fa tsy nisy afa-tsy lelavola mitentina 90 000 ariary no sisa tratra teny amin'izy ireo. Voalaza koa fa efa nigadra ilay mpitandro ny filaminana teo aloha, noho ity fanaovana asan-jiolahy ity ihany.




Fetin'ny Krismasy
Tsy dia mandeha firy ny akoho amam-borona
Saika midanaka fotsiny no ataon'ny ankamaroan'ireo mpivarotra akoho aman-borona amin'izao ankatoky ny fety izao. Tsy dia mandeha firy ny tsena.
Miharatsy foana ny tsena isaky ny fety toy izao, tato anatin'ny taona vitsy. Izay hatrany no fanazavan'ireo mpivarotra akoho amam-borona eto an-drenivohitra raha nilaza ny fandehan'ny fitadiavana ataony izy amin'izao fetin'ny krismasy izao.
« Miha-tsy manam-bola hatrany ny olona », hoy ireo mpivarotra eny Andravoahangy.
Misy ihany ny mpivarotra mahalafo entana. Saingy amin'ny ankapobeny, raha akapoka, dia tsy mandeha firy ny tsena. « Hita mihitsy hoe sahirana ny olona. Tsy miraika firy intsony amin'izany fividianana akoho aman-borona izany », hoy Benja mpivarotra.
« Taloha vao manomboka ny volana desambra dia akoho any amin'ny 50 isa isan'andro no lafo. Amin'izao fotoana izao, andro sisa no isaina dia tonga ny fetin'ny krismasy, tsy mahalafo afa-tsy akoho eo amin'ny folo isan'andro izahay », hoy Lydia. Tsy misy tsena mihitsy.
Tsy misy tsy velon-taraina amin'izany ireo mpivarotra. Maro amin'izy ireo anefa no mpiantoka, izany hoe tsy miompy fa mividy entana any amin'ny mpiompy.
Lafo ny sakafom-biby
Ny tsenan'ny Noely natokana ho an'ny akoho amam-borona eny Andravoahangy aza moa tsy dia misy mpivarotra firy. « Saika any amin'ny tsena mahazatra azy any daholo ny mpivarotra akoho aman-borona no mandeha. Sarotsarotra tsy toy ny fitafiana mantsy ny fampirantiana ny entana, satria tsy mba azo ahantona ho mora hita », izay no nosoritan'ireo mpivarotra ho tsy mahasarika firy azy ireo hamonjy ny tsenan'ny Noely natokana ho azy ireo.
Enina arivo ariary ka hatramin'ny valo arivo ariary ny vidin'ny akoho, na akoho be nofo na akoho gasy. Manodidina ny 10 000 ariary ny vidin'ny gana ary 20 000 ariary ka hatramin'ny 22 000 ariary ny an'ny gisa. Mahatratra hatrany amin'ny 30 000 ariary kosa ny vidin'ny vorontsiloza. Izany hoe mitombo vidy andro aman'alina ihany koa. Noho ny fahalafosan'ny sakafon'izy ireo, ny fiakaran'ny provandy, no voalaza fa antony mampiakatra ny vidin'ireny akoho amam-borona ireny.




Économie
La crise du chik a coûté au moins 500 emplois
L'Insee révèle que la chute de fréquentation touristique a fait perdre 470 emplois au tourisme réunionnais en 2006, principalement dans l'hôtellerie-restauration de la région Ouest. Mais le bilan réel sera sans doute plus lourd, puisque le secteur ne s'est pas encore relevé des effets de la crise depuis deux ans. On aurait pu s'attendre à pire, même si l'hémorragie n'est pas terminée.
© JIR




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpitam-bola notanana am-ponja. Vola ben'ny kaominin'Ankazobe mitentina 12 tapitrisa ariary mahery no indray nahodin'ny mpitambola tao aminy. Efa ho telo volana mahery izy no tsy hita. Tonga tao Ankazobe ihany anefa izy ary tonga dia noraisin'ny zandary fotsiny. Ny alatsinainy teo izy no natolotra ny Fampanoavana.
Lehilahy narendriky ny lakana. Ny alahady maraina teo no hita ny fatin'ilay lehilahy narendriky ny lakana tao amin'ny sakelidranon' Ambatozavavy any Nosy Be.
Nangonin'i




Ankazobe
Lehilahy nisoloky fokonolona
Vola be mitentina hatrany amin'ny 3 000 000 ariary no indray nitorian'ny fokonolona tao Anjezika Ankazobe an'ity lehilahy izay nambaran' izy ireo fa nisoloky azy tamin'ny alalan'ny fampidirana herinaratra tao an-tanàna. Nitonona ho tompon'andraikitra amina orinasa vahiny mikarakara izany ny lehilahy ka tonga tany an-toerana niresaka tamin'ny fokonolona ary nitaky vola tamin'izy ireo amin'ny fananganana ny fotodrafitrasa amin'izany. Amin'ny alalan'ny eoliana moa, raha ny fanazavan'ireo fokonolona tany an-toerana, no nandefasany ny herinaratra tao amin'ity tanàna ity.
Dia napetaka ny fitaovana. Dia nirehitra ny jiro. Nefa tsy naharitra ela izany fa antsasakadiny teo ihany dia maty tsy nandeha intsony. Niandry ny hirehetany ny fokonolona tao an-tanàna fa tsy nandeha intsony ilay jiro. Ilay lehilahy rahateo raha nantsoina tsy azo tamin'ny finday ary tsy hita popoka. Efa am-bolana maro ny fokonolona nikaroka azy fa tsy hita izy.
Tsikaritry ny fokonolona ihany anefa ny nisy azy nony taty aoriana ka dia nohenjehina. Teny Tanjombato izy no sarona ary nentina nankany Ankazobe nanaovan'ny zandary fanadihadiana. Omaly ihany anefa izy dia natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana ary notanana am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'Ankazobe.




Ivato
Nirehitra ny hotely kintana 5
Nisahotaka ny teny Ivato. Nirehitra ny hotely kintana dimy. Sinoa lahy 16 no indray sempotry ny etona.
Tra-doza omaly maraina ny hotely kintana 5 aorin'ny Sinoa eny Ivato, izay handraisana ny fivoriana an-tampon'ny Vondrona afrikana. Nirehitra ny tao anatiny ka teratany Sinoa miisa 16 miasa amin'izany hotely izany no indray tra-doza ka naiditra hopitaly. Valo eny amin'ny hopitaly loterana Ambohibao ary valo eny amin'ny HJRA Ampefiloha.
Tao amin'ny lakavy no niseho ny loza. «Tsy fantatra izay zava-niseho tao fa setroka mainty nijolofo niakatra avy any ambany any no nanaitra anay. Avy aty amin'ny rihana faharoa aho no niasa nahita izany», hoy Robson, mpiasa malagasy iray tao an-toerana.
«Tonga izahay dia niezaka ny nidina hamonjy ny korisa mandeha amin'ny herinaratra, saingy efa tapaka tsy nandeha intsony ny jiro. Dia lasa indray nivadika namonjy ny tohatra tany amin'ny ilany andrefana», hoy ihany izy. Nosoritan'ireto mpiasa ireto fa toerana fametrahana ireo kojakoja hanamboarana ny trano no ao amin'io lakavy io, ary tsy misy teratany Malagasy afaka miditra ao raha tsy miaraka amin'izy ireo. «Izy samy izy ihany no mivezivezy ao», hoy Laurent, mpiasa malagasy iray hafa.
Kely ny fahavoazana
Araka ny fanazavana nomen'ny tale jeneralin'ny orinasa Sogecoa, Liu Gnoziax, izay miandraikitra ny fananganana ny trano, dia avy amin'ny fifandraisan'ny tariby mitondra herinaratra tao amin'io lakavy io no nahatonga ny haintrano. «Tsy nisy aina nafoy fa ireo fitaovana napetraka tao no may, izay tsy mbola fantatra ny teti-bidiny», hoy izy.
Nosoritany fa na izany aza tsy dia goavana ny fahavoazana. Tsy misy ahiana ihany koa amin'ny fanatanterahana ny asa sy ny fitsanganana ary ny fanamboarana ny trano. Notsindrian'ity tompon'andraikitra Sinoa ity ihany koa fa ny fahasemporan' ny etona simika tao amin'ilay lakavy no nahavoa an'ireo Sinoa naiditra hôpitaly ireo, izay injeniera sy teknisiana avokoa.
«Ny oksizena no tena niasa betsaka amin'ny famelomana azy ireo. Izany hoe miompana amin'ny fitsaboana ny tratra aloha. Nisy nandoa ihany tamin'izy ireo ka notsaboina koa ny vavoniny, taorian'ny fameloman'aina», hoy ny Dr Feno Rasolofomamonjy, lehiben'ny hopitaly loterana eny Ambohibao.
Tao avokoa mantsy no navantana noho ny vonjy aina ireo narary. Saingy nisy ny voatery nalefa tany amin'ny HJRA Ampefiloha, noho ny hakelezan'ny sampana vonjy taitra ao amin'ity hôpitaly ity. Nosoritany fa ny enina tamin'ireo tonga voalohany tao aminy dia saika torana tsy nahatsiaro tena avokoa.
Efa avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo amin'izao fotoana izao. Saingy mbola nohazonina ao amin'ny hopitaly ihany aloha hanaraha-maso tsara ny fahasalamany.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Raim-pianakaviana namoy ny ainy. Teny ambony hazo teny an-tokontany no hitan'ny fokonolona nihantona ilay raim-pianakaviana ny alahady teo tao amin'ny fokontanin' Antsampandrano Manerinerina, kaominin'Ambolotarakely, distrikan'Ankazobe. Tsy hay na novonoina izy na namono tena. Manodidina ny 30 taona eo ity rangaha ity, ary manambady sy manan-janaka roa.
Iray maty, 7 naratra navadiky ny fiara. Tany anaty rano no nivarina ilay fiara 4x4 fitaterana marary an'ny Polyclinique ao Ifanadiana, kaominin'i Zazafotsy, any amin'iny distrikan'Ihosy iny. Olona 13 no tao anatiny, ka lehilahy iray tamin'izany no maty tsy tra-drano. Fito hafa kosa naratra. Vokatry ny fahavakisan'ny kodiarana aloha no nahatonga ny loza, ka tsy tafiditra tao anaty tetezana ilay fiara.
Fiara mpitatitra nodonin'ny kamiao mpandraoka fako. Nieren-doza avokoa, tsy nisy naratra ireo olona tao anatin'ilay fiara mpitatitra minibus 119 nodonin'ilay kamiaoben'ny kaominina nandraoka fako teny Ampefiloha, omaly antoandro. Teo amin'ny lalamby teo, nanao fiverenan-dalana ilay kamiao be, no nandona ny vodin'ilay fiara mpitatitra sendra nandalo.
Nangonin'i




Fankalazana ny Noely
Tsy laitra iainana ny filaharam-ben'ny fiara
Tsy azo idirana mihitsy amin'izao fotoana izao ny eo afovoan-tanàna eo Analakely, Behoririka sy amin'iny faritry 67 ha iny. Tsy laitra ny filaharam-ben'ny fiara.
Adiny iray mahery eo no hamakiana an'i 67 ha, manomboka aty Ankazomanga, raha mihazo ny Boulevard de l'Europe, mandra-pivoaka eo amin'ny Vatobe na any amin'ny paositra. Toy izany ihany koa ny eo Analakely, manomboka eo Soarano na Behoririka ka hatrany Andohan'Analakely na mipaka any Ampefiloha.
Na any amin'ny digue avy moa, raha hiditra an'i 67 ha, ahitana filaharan'ny fiara.




Asan-jiolahy
Miaramila sandoka nandroba vola
Teny Analakely, afak'omaly, no voasambotry ny zandary ilay lehilahy iray nisandoka ho polisy misava fiara eny amin'ny arabe, izay nanakana renim-pianakaviana iray mpamongady atody mipetraka eny Ivato. Nandeha fiara ity renim-pianakaviana ity tamin'izay fotoana izay, ary nosakanan'ity mpitandro ny filaminana sandoka ity.
Nanao fanamiana miaramila izy, fitafiana maitso ary satroka béret miloko mena toy ireny an'ny miaramila ireny. Nijanona ilay mpamily nitondra an'ity renim-pianakaviana ary tonga dia namantana teo amin'ilay renim-pianakaviana izy, nanambana basy poleta azy. Nalainy an-keriny tamin'izany ny vola 4 tapitrisa ariary, vola vidin'atody.
Avy hatrany dia nidodododo tany amin'ny zandary ilay renim-pianakaviana. Natao teo no ho eo ny famotorana an'ilay mpamily ka teo no nahafantarana fa hay naman' ity mampily ity ilay miaramila sandoka. Tetika efa nomanina izany ny azy roalahy.
Rehefa nosavaina ilay mpisandoka dia nahatrarana basy poleta iray miaraka amin'ny tranom-bala roa izay misy bala 14, lecteur DIVX iray vaovao novidiana ary lelavola 1 128 000 ariary.




Sambo nisy nanodina
Karohina ireo maorisiana roalahy
Novonoin'ireo olon-dratsy ny mpanamory ilay sambo nofainy. Karohina hatramin'izao izy roalahy.
Omaly antoandro tamin'ny iray ora sy sasany teo no tody tao an-tseranan-tsambon'i Toamasina ilay sambo maorisiana, Patrol One 4134 Ol 16, miloko fotsy, nahodinkodin'ireo maorisiana roa lahy avy tao Maorisy. Afak' omaly alina izy io no hita natsingevan'ny rano tany amin'iny fari-dranomasin'i Toamasina iny, tokony ho 68 km miala ny morontsiraka, ka avy hatrany dia nandefasana sambo kely hitarika azy.
Maorisiana roa lahy, izay voarohirohy tamina raharahana zava-mahadomelina, Luchun Risahi na Shiva (32 taona) sy Ramkissoon Suny na Vishar (27 taona), no voalaza fa naka an'ity sambo kely ity. Izany hoe nohofainy. Saingy nony teny am-povoan-drano-masina dia novonoin'izy ireo, araka ny vaovao azo teo anivon'ireo mpitandro ny filaminana malagasy izay manao ny fanadihadiana, ilay kapitenin-tsambo antsoina hoe Joseph Cotte. Navariny tany an-dranomasina ilay kapiteny.
Lasa nitsoaka
Ilay mpanampy an'ity kapitenin-tsambo ity kosa, Léon Gaettan, naratra novelesiny ny tavoahangy. Torana tsy nahatsiaro tena ity farany tamin'ny famonjena nataon'ny mpitandro ny filaminana malagasy. Saingy avotra ihany rehefa novonjena tany amin'ny hopitaly tao Toamasina.
Izy roa lahy naka ny sambo kosa tsy hita popoka. Nandray ny fitaovana fiondranana amin'ny loza tao anatin'ilay sambo, ary lasa nitsoaka.
Araka ny efa voalaza dia raharahana zava-mahadomelina no nahavoarohirohy azy roa lahy ireo. Efa ho iray volana no nikarohan'ny mpitandro ny filaminana azy ireo tao Maorisy.
Voasambotra izy ny herinandro teo ary natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana. Nahazo fahafahana vonjimaika anefa izy ireo tamin'izany, ary izay no nanararaotany nitsoahana ny tany nihaviany. Ny asabotsy izy ireo no niala tao Maorisy ary ny alahady kosa no nitsoaka teny ambonin'ilay sambo nohofainy.
Efa nahazo fampilazana mikasika azy ireo moa ny fanjakana malagasy amin'ny alalan'ireo mpitandro ny filaminana, ny zandarimaria, ny tafika an-dranomasina. Efa mandeha, araka izany, ny fikarohana manomboka any Mahajanga, hatrany Nosy Be, Antsiranana, ary mipaka any Toamasina. Ahiana hiditra amin'ireo moron-tsiraka ireo mantsy izy ireo, raha ny diany.




Sud-Ouest
Le bureau Rég TIM installé
Le député de Toliara II, Armand Mahatafa, a été élu président du Rég Tim d'Atsimo-Andrefana lors du congrès régional du parti qui s'est déroulé hier à la grande salle de conférence de l'hôtel Palétuvier au front de mer.
La cérémonie a été dirigée par le ministre-coach de la région Roland Randriamampionona et la vice-présidente du Sénat Jeanne Dina. Plusieurs centaines de militants TIM issus de 9 districts de la région y ont assisté.
Outre le président, le bureau du Rég Tim d'Atsimo-Andrefana est composé de Samuëline Raheliarisoa, chef de région, 1ère vice-présidente, Benoït Mamy, député d'Ankazoabo-Sud, 2è vice-président, Parfait Florent Mana, député de Toliara I, secrétaire général, et de Dominique, conseiller régional, trésorier.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Lehilahy maty voadaroky ny kobay. Tonga tany an-tranony vao torana tsy nahatsiaro tena ary namoy ny ainy ilay lehilahy iray voadaroky ny kobay tany Antananivo, kaominin'Ambinanifako, distrikan'Antalaha, ny alin'ny 23 hifoha 24 desambra teo. Tezitra noho izany ny fianakavian'ity namoy ny ainy ka nirohotra namonjy ny tranon'ilay nahavanon-doza, saika hamaly faty. Soa fa tonga haingana ny zandary nandamina ny raharaha.
Nangonin'i




Fetin'ny Noely
Nankalaza ny Noely ny tafika
Na dia ny basy aza no angadin'ny miaramila, dia tsy diso anjara tamin'ny fanamarihana ny fetin'ny Noely izy ireo, toy ny olon-drehetra. Teny amin'ny Cemes Soanierana no nanatanterahan'izy ireo izany, ny talata 23 desambra teo.
Nisy ny fizaram-borona, vatomamy ho an'ireo zanaka miaramila izay narahina fizaran-doka ho an'ny ankizy afa-panadinana tamin'ny taom-pianarana 2007-2008. Nisy ihany koa, toy ny fanao amin'ny fankalazana ny ny Noely, ny fandraisan'ireo ankizy anjara amin'ny alalan'ny fanaovana hira sy kilalao Noely.
Tonga nitarika izany teny an-toerana ny lehiben'ny etamazaoron'ny tafika malagasy, ny général de brigade Rakotoarimasy André Lucien. Nambarany tamin'ny lahateny nataony fa tsy afa-misaraka eo amin'ny andraikitra ara-miaramila ny asa sosialy.
«Zava-dehibe izany koa irina ny fanamafisan'orina azy sy hampivoatra azy hatrany», hoy izy. Notanisainy tamin'izany ny zava-bitan'ny asa sosialin'ny tafika nandritra ity taona 2008 ity, toy ny fanaovana didim-poitra faobe, fizarana fanafody sy lay misy odimoka, ny fanentanana amin'ny ady amin'ny aretina sida... Marihina fa ny asa sosialy eo anivon'ny tafika malagasy no tompo-marika tamin'ny fanatanterahana ny hetsika.




Antananarivo
Nangingina ny tanàna
Nilamindamina kely ny fiainana teto an-drenivohitra omaly. Tsy nisy firy ny filaharam-ben'ny fiara, nalaladalaka ny làlana, vitsivitsy ny mpivarotra.
Somary nangingina kely ny teto an-drenivohitra, omaly, taorian'ny fetin'ny Krismasy iny. Nalalaka ny fifamoivoizana, tsy dia hita firy ny filaharam-ben'ny fiara izay nampiteny ny moana andro vitsy nialoha ny fety, toy ny teo Behoririka, Analakely, Ambodin'Isotry, 67 ha, làlana Digue...
Tsy hita firy ihany koa ny fifanosehan'ny mpiantsena teny an-dalambe, ny mpivarotra rahateo, indrindra ny mpivarotra amoron-dalana, maro no tsy tonga nanohy ny asany na dia fanararaotana ho azy ireo aza ny fahatongavan'ny fety. Ireo karazan-kilalao ho an'ny ankizy teo amin'ny araben'ny Fahaleovan-tena vitsy ny tonga nilalao azy.
Ny fiara mpitatitra aza moa hita ho nalalaka dia nalakaka, tazana ho tsy dia nisy mpandeha firy. «Naka aina kely ny olona fa vita fety», hoy ity renim-pianakaviana mpivaro-kiraro.
Fetin'ny faran'ny taona
Ireo magazay lehibe, na mpivarotra fitafiana mihaja izany na mpivarotra kilalao, indrindra fa ireo mpivarotra kojakoja samihafa fampiasa ao an-tokantrano, no saika nivoha daholo toy ny andavanandro. «Mivoha toy ny mahazatra izahay satria mbola eo ny fetin'ny faran'ny taona», hoy Sandy mpivarotra fitafiana ao amin'ny trano lehibe fivarotana ao Behoririka.
Nosoritany mantsy fa na dia efa nividy fitafiana tamin'ny krismasy iny aza ny olona, mbola misy ihany ny mitady zava-kafa ho entina amin'ny taombaovao. Tsy miova ny entana aranty eo amin'ny magazay, saingy misy sokajin'olona aorian'ny krismasy izy vao mitady ny ho entina amin'izany. Vitsivitsy, tsy mifanesika, rahateo ihany koa ny olona ka manara-po tsara ny mpividy mitady izay tiany.
Toy izany koa ny mpanjifa amin'ireo kojakoja samihafa fampiasa ao an-tokantrano. «Nisy ny tsy nandray vola mihitsy raha tsy ny andron'ny 24 desambra, dia izao izy vao afa-mividy entana», hoy i Dadafara tompon'ny tranombarotra Discount Saturn, fivarotana lehibe iray eo Analakely.
Betsaka ihany koa ny olona no mitady zavatra hatao fanomezana rehefa tonon-taona toy izao ny andro. Ary dia izay, raha ny nanipihany azy, no tsy hanakatonany ny magazay na dia lasa aza ny fetin'ny Krismasy.
Na izany aza anefa dia nambaran'ireo mpivarotra lehibe ireo fa somary vitsivitsy ihany, raha ny omaly, ny mpiantsena.




Fa nahoana no amidy Madagasikara ?
Izahay aty ampitan-dranomasina tsy miankina amina antoko politika na iza na iza dia te hampita hafatra ho an&#039;ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara.
- Nahoana re no dia omena ny vahiny ny tanindrazana (Nosy be à 2Euro ny m2, vaovao mivoaka amin'ny televiziona eto Frantsa io) ahoana ny momba an'i Daewo no tsy ahitan-teny mihitsy ny mpitondra, ahoana ny momba ny faritra atsimo no vahiny no tena mibahana any, eo koa ny sasany izay tsy voatanisa eto.Tsara ny fahatongavan'ny mpampiasa vola vahiny fa mihoatra ireo koa ny fisian'ny fizahan-tany mamoafady indrindra any Atsimo izay tsy voalaza firy.
- Inona no antony hatahorana sy tsy ahasahian'ny Malagasy manam-bola eto Madagasikara mividy ireny tany ireny fa alehon'ndry zareo mivoaka an'i Madagasikara. Misy antony tokony ho heritreretin'ny fanjakana eo satria toe-javatra mampalahelo io, mitsoaponenana ny Malagasy tokony hampandroso ny firenena.
- Tsy anjaranay ny mitsara fa na ny mpitondra teo aloha na ny amin'izao fotoana izao dia samy manao ny mety sy tsy mety. Ny anay dia ny fiarovana an'i Madagasikara ho an'ny Malagasy fa tsy ho an'ny vahiny. Raha 99 taona ny bail izany hoe na ny taranak'ireo vahiny ireo aza mbola hijanona sy hanavao ny bail any aoriana. Ny taranaka gasy ange mbola mba hitraka ary tsy hisy ho azy intsony eto Madagasikara any aoriana. Lasa ny tompon-tany indray no tsy ahazo handigana faritra satria plage privée. Aoka ho fantatry ny mpitondra fa azonay aty ivelan'i Madagasikara ny mamoaka ny hevitray amin'ny gazety, sy ny radio : Frantsa, Belzika, Alemaina, sns izay mahamenatra fa manala baraka ny maha gasy ny gasy koa aleonay aloha mampita ny hafatra.
Misaotra tompoko ary miangavy ny amin'ny fampitana izao hafatra izao amin'ny gazety.
Mme Rasolonoro




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Taratasin'omby hosoka tratra. Dahalo roa lahy kalaza amin'ny fangalaran'omby no saron'ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritr'i Mahitsy ny tapaky ny volana desambra teo. Omby halatra miisa 25 no noroahin'izy ireo tamin'io, ka teo amin'ny fisavana azy ny zandary no nahatsikaritra ny maha-tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy rehetra teny aminy. Avy hatrany dia nohazonina izy roa lahy, nanaovana famotorana ary notanana am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny Fampanoavana ny herinandro teo.
Mpiasan'ny Jirama sandoka. Lehilahy lehibe iray efa 70 taona, ny herinandro teo tao Andoharano, kaominin' Anosiala, distrikan'Ambohidratrimo, no voafitak'ireo mpiasan'ny Jirama sandoka. Nofitahiny tamin'ny antso an-tariby ho hody ao an-tranony. Kanjo raha vantany vao tonga tao dia nofatorany sy nodarohany ary noendahiny. Lasany ny firavaka volamena teny an-kodiny, ny rojo sy ny peratra.
Nangonin'i




Fianarana asa
Feno 15 taona ny Eccova
«Manjaitra akanjo izy ka mivarotra izany... Haja sy voninahitra ny fitafiany» Ohabolana 31 : 24 a, 25 a. Izany teny izany no nentin'ny sekoly fianarana mandidy sy manjaitra akanjo Volana, na ny Eccova, nanokatra ny fanamarihana ny faha-15 taona niorenany tamin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny katedraly FJKM Analakely, omaly. Ny mpitandrina Rasoafanomezantsoa Pierrot no nitarika ny fotoana.
«Nisedra lalan-tsarotra maro ny sekoly vao tonga tamin'izao fotoan-dehibe izao», hoy ny tale jeneraliny, Razanamanalina Volana. Mpianatra telo, raha ny nanipihany azy, no nanombohan'ny sekoly teny Ambohibao.
Nitombo niandalana hatrany izany, nisy fanatsarana ihany koa ny fampianarana, ary dia tratra ny tanjona satria tafakatra enina ny isan'ny sekoly Eccova mijoro eto an-drenivohitra. Ary efa manomboka misy ihany koa ny any amin'ny faritany, toy ny any Mahajanga.
Mpianatra 5000 no efa nandalo tao amin'ny Eccova hatramin'izay. Betsaka amin'ireo ny efa mahaleotena, nanangana asa ho azy manokana. «Vehivavy mila mihetsiketsika, manana talenta ary mizara izany ho fampandrosoana ny ankohonany sy ny firenena, no fototra ijoroanay», hoy ihany ny talen'ny sekoly, Razanamanalina Volana.
Hanokatra fianarana zaitra momba ny fampihaingoana trano moa ny sekoly, izay hataony tsangambaton'ny jobily, amin'ity taona ity, ankoatra ireo hetsika maro samihafa karakarainy.




Fanatsarana
Nandeha ny tsenan'ny lokon-trano
Tsara ihany koa ny tsenan'ny lokon-trano rehefa andro fety toy izao. Maro ireo olona manadio ny tranony amin'izany.
Tsy ny fitafiana na sakafo ihany no manintona sy mahavariana ny ankolafin'olona maro rehefa tonon-taona toy izao, fa hatramin'ny fanatsarana ny ao an-trano mihitsy. Anisan'izany ny fandokoana ny trano, na atiny na ivelany.
Raha ny fanazavan'ireo mpivaro-doko nohadihadiana teto an-drenivohitra dia mandeha dia mandeha mihitsy ny loko rehefa andro fety toy izao. Ary raha ny teny Ampasampito manokana, tao amin'ny orinasa mpanamboatra loko Upema, dia nilaharana mihitsy ny fividianana loko.
«Mandeha mihitsy ny loko amin'izao fotoana izao. Tafakatra hatrany amin'ny 40% any ny fiakaran'ny tsena tamin'izany», hoy R. Niry, tompon'andraikitra amin'ny fandraharahana eo anivon'ity orinasa ity. Nosoritany fa isan-taona, ankoatra ny fotoanan'ny main-tany izay efa mampandeha ny tsenan'ny lokon-trano rahateo, dia mitombo toy izany hatrany ny mpanjifa ny loko ao aminy rehefa fety lehibe toy izao.
Fahazarana
«Ny loko amidy antsinjarany, izany hoe amidy amin'ny kilao, no tena mandeha, satria izay no takatry ny fahefa-mividin'ny tsirairay», hoy izy. 1600 ariary ka hatramin'ny 2400 ariary mantsy dia efa mahazo loko iray kilao amin'izany raha loko rano, ary 4800 ariary kosa dia efa mahazo iray kilao raha loko milaro menaka.
«Efa fahazaranay isan-taona ny manatsara ny ao an-trano toy izao. Kelikely ihany koa ny anay ny trano ka tsy dia manahirana loatra ny manadio azy. Efa misy vola atokana ho amin'izany mihitsy», hoy ity raim-pianakaviana iray monina eny Isotry sendra nividy loko. Nosoritany fa manan-janaka madinika izy no sady amoron-dalana ny trano fonenany, ka izay no manosika azy hanadio ny tranony matetika.
Sady fifalian'ny saina no fahafinaretan'ny maso ny fananana trano madio lalandava !




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Mpangalatr'omby roalahy tratra. Nitombo indray ny isan'ireo mpangalatr' omby saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin'Ankazobe. Roalahy hafa indray no saron'ny zandary tao an-toerana. Efa ikoizana amin'io asa ratsy io ireto tratra ary faly ny mponina satria mila ho ripaky ny dahalo mihitsy ny fananan'izy ireo. Anisan' ny harenan'ny tantsaha ny omby ary ny fiompiana no antom-pivelomany.
Mamo «miantso polisy». Tovolahy iray no saika voadonan'ny fiara mpitatitra raha nisy kely foana, noho ny hamamoany nidola teny am-povoan'arabe, ny alahady teo. Soa fa tsara ny hisatry ny fiara nampijanona haingana ny hafainganam-pandehany. Izy indray nony avy eo no nila ady tamin'ilay mpamilin'ilay fiara mpitatitra.
Horonan-tsary piraty an'arivony tratra. Mpivarotra horonan-tsary piraty roalahy no tratry ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ireo mpamokatra horonan-tsary mihetsika malagasy, ny asabotsy teo, teny Analakely. Horonan-tsary piraty miisa 1050 no indray tratra teny amin'izy ireo. Atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Tsy mety fay ireo mpanao piraty.
Nangonin'i




Sambo nalaina an-keriny
Naely ny sarin'ireo Maorisiana roalahy
Tsy mbola tratra hatramin'izao ireo teratany maorisiana roalahy, Sunny Ramkissoon sy Rishi Lutchum, izay nitondra sambo an-keriny, Patrol one, niala tany Maorisy ary nitsoaka nandositra taty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara ny alahady 21 desambra teo. Raha ny fahitàna ny sambo navelany mantsy, araka ny fanazavana nomen'ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, dia ahiana ho nitodi-doha taty Madagasikara mihitsy ny dian'ireo teratany maorisiana ireo.
Karohina fatratra
Manomboka any Mahajanga miakatra mankany Antsiranana ary mivadika avy aty atsinanana mipaka hatrany Mananjary no voalaza fa nanapariahana ny sarin'izy roalahy ireto. Naparitaka manerana ny biraon'ny mpitandro ny filaminana sy eny amin'ireo toerana azo ametahana afisy ao an-tanàna.
Efa natsahatra afak'omaly ny fikarohana an-dranomasina ary dia ny fikarohana an-tanety indray izao no imasoana. Ilay sambo nalain'izy ireo kosa dia ao an-tseranan-tsambon'i Toamasina amin'izao fotoana izao.




Fitaterana
Ar 50 ny fiampitana lakana eny amin'ny «digue»
Manala fahasahiranana ny mponina ny lakana. Lasa asa fivelomana ny fampiasana azy eny amin'ny faritr'Ambohidrapeto.
Efa an-taonany maro, raha ny fanazavan'ity raim-pianakaviana iray, tompon-kevitra tamin'ny fampitàna olona amin'ny lakana amin'iny reniranon'Ikopa iny, tsy lavitra ny sampanan'Ambohitrimanjaka, no niasàny nampita olona teo amin'io toerana io. Manomboka amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 6 ora hariva eo izy no miasa amin'izany.
«50 ariary ny saran-dalana. Izay no zakan'ny fahefa-mividin'ny tsirairay», hoy izy nanazava fohy ny asany. Betsaka tokoa, raha ny fanazavan'ireo olona mampiasa io lakana fiampitàna io satria tsy mitsahatra ny mitatitra olona amin'izany izy.
Haingana no mety
Na dia olona iray aza mantsy no miandry eny amoron-drano dia efa miainga izy amin'ny lakana, afa-tsy ny hoe misy olona tamy mihazakazaka tsy lavitra handeha hiampita. «Tsy mba toy ny fiara fitaterana ny anay, ka tsy miainga raha tsy misimisy olona fa rehefa misy mpandeha na dia iray aza dia efa mandeha satria maika ny olona», hoy izy.
«Mety aminay mponina ety tokoa ny fisian'ity lakana fiampitàna eto ity satria eto izahay, tsy misy firy minitra akory dia efa tonga aty amin'ny «digue» raha hiakatra ho any an-drenivohitra», hoy ireo mponina. Ireo mponina avy eny amin'ny faritr'Ambohidrapeto indrindra mantsy no tena voakasika ary mahita tombontsoa amin'ity lakana ity.
Satria raha ny nanipihan'izy ireo azy dia lavitra mihitsy, mandeha any amin'ny fito kilometatra any izy ireo, mihodina any Itaosy, raha mba hiakatra ho aty an-drenivohitra. Nefa ny «digue» raha tazanina eo amin'iny tanàna iny, tsy lavitra fa eo amin'ny 500 metatra eo fotsiny, dia efa tonga. Miampita amin'io lakana io dia mandray fiara fitaterana dia efa tonga !
Tsy ampy ho an'ireo mponina eny ampitan'ny reniranon'Ikopa iny, araka izany, ny tetezana eo Ampasika sy ny eny Ambohitrimanjaka.
Tsy mba voizina toy ireny lakana ireny ny fampiasan'ity raim-pianakaviana fa sintonina na taritina amin'ny tady izay efa mifantsika eny amin'ny moron'ny renirano andaniny roa. «Sady mora no tsy dia mandreraka ny mitondra azy amin'izay. Efa asa io ka tsy maintsy atao izay manafaingana azy», hoy izy. Nosoritany fa raha miakatra ny rano dia ampiakarina koa ireo tsatoka hamikiran'ilay tady hisintonana ny lakana.
Hatramin'ny mpatsaka rano avy moa, noho ny fitadiavana rano fisotro madio, mampiasa isan'andro an'ity lakana fiampitàna eo amin'ny «digue» ity ary notsorin'ireo mponina eny am-pitan'ny rano fa tena manala fahasahiranana ho azy ireo tokoa ny fisian'io lakana fiampitàna io.




Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa
Ben'ny tanàna voaheloka. Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina no nampiharin'ny Fitsarana ny ben'ny tananan'Ampaneva, ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana. Nivoaka, omaly, ny didy. Resaka fanolanana zaza tsy ampy taona, 17 taona, moa no nitsarana azy.
Tratra ilay mpangalatra kojakojam-piara. Tsy nahetsika intsony raha nandre ny poa-basy tifi-danitr'ireo polisy ilay lehilahy kalaza amin'ny fangalarana kojakojam-piara eto an-drenivohitra. Teny Antohomadinika izy no nifanenjehana, afak'omaly.
Mpisoloky tra-tehaka. Teo am-pakana ny avansy tamin'olona nofitahiny ilay lehilahy iray antsoina hoe Ada, mpisoloky gaigilahy, no nopaingorin'ny zandary tao Ihosy. Vato tsy izy akory, izay nolazainy fa emeraoda, no notetehiny hamitahana olona tamin'io, amidy Ar 6 000 000. Ary avansy Ar 4 000 000 tamin'izay no saika halainy.
Jiolahy sy jiovavy sarona. Sendra ny fandalovan'ny polisy avy ao Tsaralalàna nisafo tanàna ireto andian-jiolahy sy jiovavy ka noraisim-potsiny. Avy nanendaka vazaha lahy iray teo Analakely izy ireo tamin'io ary mbola tratra teny amin'izy ireo ny sakaosin'ilay vazaha.
Nangonin'i




Fikasana hamono polisy
Nalefa eny Tsiafahy ilay Seychellois
Notanana eny Tsiafahy i Roy Patrick Brioche, ilay Seychellois nitifitra polisy tany Nosy Be. Tany Maevatanàna izy, niaraka tamin'ny sakaizany, ny 27 desambra teo, no tratra. Efa tao anaty fiara fitaterana ho any Mahajanga indray ny lehilahy teo, ary dia noraisim-potsiny ka nentina niakatra taty an-drenivohitra.
Dimy sosona, raha ny fanadihadiana nataon'ny polisy, no indray anenjehana an'i Roy Patrick Brioche : fipetrahana tsy ara-dalàna eto Madagasikara, fikasana hamono polisy, fihazonana basy tsy ara-dalàna, fanaovana taratasy hosoka ary firaisana tsikombakomba amin'ny olon-dratsy.
Marihina fa efa voaroaka eto Madagasikara ity vahiny ity ary voarara tsy mahazo miditra eto noho izy voarohirohy amina raharahan-keloka maro tany Seychelles. Nefa dia izao mbola tafajanona teto izao ihany. Basy poleta iray sy bala folo no tratra teny aminy.
Efa ela ny nikarohana azy ity. Nisy mihitsy aza ny fotoana nitondrany anarana malagasy tamin'ny alalan'ny kara-panondro sandoka sy nitifirany ny tenany mba hanafenany ny heloka vitany.




Famokarana
Imasoana ny fambolem-bary indroa isan-taona
Ankoatra ny fambolem-bary manara-taona dia amporisihina koa ny tantsaha amin'izao fotoana izao mba hanao voly avotra.
Vary dimy taonina isaky ny hekitara no indray niakatra tamin'ny voly vary natao voly avotra notontosaina tany amin'ny kaominin'i Kiangara. Nojinjaina afak'omaly tany an-toerana ny vokatra, izay notarihin'ireo tompon'andraikitra isan-tokony avy ao amin'ny minisiteran'ny Fambolena.
Tamin'izany no nanipihan'ny talem-paritry ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra ao anivon'ny minisiteran'ny Fambolena eto Analamanga, Rakoto Bruno Joseph, fa azo atao tsara ny manao fambolem-bary indroa isan-taona. Porofo mivaingana amin'izany izao vokatra azo tao Kiangara izao izay nataon'ny mpamboly Rasolomananjatovo Alfred.
Tsara ny vokatra
Tratra ny tanjona. Distrika roa ao anatin'ny faritr'Analamanga no nanaovana fanentanana amin'izany, dia Anjozorobe sy Ankazobe, ary nahavelom-bolo hatrany ny vokatra. Ny tanjona amin'io taona 2009 io dia ny hampitomboana ny velaran-tany hovolena hatrany amin'ny 2 000 ha raha toa ka 1 750 ha izy tamin'ity taona ity.
«Tsara ny voka-bary tamin'ity taona ity», hoy kosa ny sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny Fambolena, Rakotoson Philibert. Nosoritany mantsy fa na dia teo aza ireo rivo-doza roa lehibe izay noheverina fa nandrava teto Madagasikara dia mbola nahazo vokatra nihoatra ny 3 t/ha ny tantsaha. Nahatratra hatrany amin'ny 4 900 000 taonina any, araka izany, ny vokatra niakatra.
Nosoritany fa ankoatra ny famatsiana zezika an'ireo tantsaha sy ny famporisihina azy ireo hanaraka ny teknikam-pambolena moderna, (ny ketsa tanora sy ny fiavana vary ary ny fifehezana ny rano) dia nimasoan'ny minisitera ihany koa ny nampitombo ny faritra volena hatrany amin'ny 100 000 ha raha toa ka 33 000 ha izany teo aloha.
Notsindriany, araka izany, fa tsy misy ahiana ny famatsiam-bary ny mponina amin'ity maitso ahitra ity. Ankoatra ireo vokatra miakatra ireo mantsy dia efa naparitaka manerana ny faritra rehetra ihany koa ny vary 50 000 t nafarana avy tany Inde. Voatazona, araka izany, ihany koa ny vidim-bary.




Mamalan-kira VANF
Fandoto iray tandroka
Mandindona sahady io taona 2009 mitsidika io ny savorovoro harangarangan'ny sasany. Mpanohitra efa lany mamy, naloam-bahoaka, no indro manao tampodi-fohy indray manararaotra ny anaran'i Andry Rajoelina, Ben'ny Tanan'Antananarivo. Maro madilana tokony ho tetenina ny fitondran-dRavalomanana saingy tsy ampy izany ihatsampazana indray an-kazo hafa tsy fantatra.
TSAFA ALOHA. Ireo nifidy an'i Andry Rajoelina ve nanantena, sa nanampo, fa ho sokafany mibanabana ho an'ny mpanohitra ny vavahadin'ny Renivohitra ? Izany ve no nifidianana Ben'ny Tanàna ? Taona vitsy lasa, raha voaraoka alika ireo mpanohitra nivory teny Mahamasina na Analakely dia be ny feo nandefa fa mpikarama an'ady nirahin'ny Fanjakana no nibahana azy ireo. Mba iza kosa no nanontany raha ny maro an'isa be tsy miteny, mazàna manaja ny didy aman-dalàna, dia efa tofoka tanteraka tamin'ireo mpanohitra mibahana sehatra ireo, izay mbola tazana hatrany teny Besarety farany teo ?
MBOLA TSAFA. Ahoana re no hanadinoina fa ireo mpanohitra ireo ihany no nanozona an-dRatsiraka ka nandokaloka an-dRavalomanana, tamin'ny 2002 ? Mbola ireo ihany no nandrora tamin'ny seza vao nampitombina an'i Zafy Albert, tamin'ny 1991-93. Fa moa ve tsy efa ireo sahady no nanararaotra ny sorisorin'ny mpianatra ka nikopaka afo nisian'ny « tolom-bahoaka » 1972 ? Fanjakan'ny madinika hono, fanasoketana ny fahefana, faniratsirana ny raiamandreny, fanimbazimbana ny rafitra. Rotaka nanimba toe-tsaina nandavo ny tsangambato tandidon'ny fiaraha-monina lasa Baroa. Nompàna ny Filoha, nandrehofana ny Fanjakana. Fahafaham-baraka fara-tampony ny nitsabahan'ny Afrikana tamin'ny raharaha tokantranon'ny Gasy.
TSAFA IHANY. Mahavelom-panontaniana sy ahiahy fa toa tampin-dalan-kaleha ny politika eto Madagasikara. Tian-ka hano, tsy tiana fa hano. Kisendrasendra sy antsapaka (1) ny « tohi-vakana » (2) eto amintsika efa ho telopolo taona izao. Soa ihany, tamin'ny 1972, fa teo ny Tafika saingy iny ary dia mainka nampivandravandra ny fahabangan'ny olomanga rehefa niandany tamin'ny fitondrana « Pisodia » Ravoahangy-Andrianavalona nantenain-kanirina (3) .
Fa nankaiza ny olon-tety ? Tsy misy Hagamainty hanatsafa, tsy misy Andrianampoinimerina hanoina. Raha hitambotsitra amin'ny 1972, raha hivarina amin'ny 1991, raha handrorona amin'ny 2002, sanatria izay handroso eto. Ny vahoaka, ho'aho, aleo ihany, aleo mihitsy, tsy hivoaka ny valan'ny fandatsaham-bato (4) .
(1) Mamalan-kira VANF, Enga ho demokrasia ka sanatria jadona ?, 19 desambra 2008
(2) Vao avy namaky ny boky "Le roi ne meurt pas. Rites funéraires princiers du Betsileo, L'Harmattan, 1997" aho no naheno fa nodimandry ny mpanoratra Adolphe Rahamefy. Misy saintsainina maro ny fomba Betsileo efa very tadidy eto Imerina. Iray fototeny tokoa ve ny isa "F-ito" sy ny hoe "Ma-ito i Matsiatra", fomba faniritana ny Hasahiranana fahagola tany Isandra ?
(3) Josette Randriamandimby Ravoahangy-Andrianavalona, La VVS, Vy Vato, Sakelika, (Fer, Pierre, Ramification). Contribution à l'étude sur l'origine du nationalisme malgache, Paris, 1978, 451 p.
(4) Semainier de VANF, La foule est l'ennemie de la démocratie, L'Hebdo de Madagascar, 31décembre 2008





4870midi-mg-005716-7809-24092008 Zaza 7 taona maty voatsindrin'ny sarety
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA. Vokatry ny tsy fitandremana sy ny fikoropahana no nahatonga ny loza. Nisy ihany koa loza hafa niseho tamin'ny RN7.
Zaza 7 taona maty voatsindrin'ny sarety
Potika tanteraka ny lohan'ilay zaza voatsindrin'ny sarety. Tsy tana intsony ny ainy.  Io no vokatry ny loza niseho tany Ankazondandy, omaly tamin'ny 7 ora maraina. Teo amin'ny lalam-pirenena faha-3 mampitohy an'Antanananrivo sy Anjozorobe (PK 51). Raha nivoaka ny toerana mpisy azy iny indrindra ny sarety no nitraotra tampoka ny omby ka tafakatra teny ambonin'ny dongon-tany amin'ny sisin'ny arabe. Nivadika vokatr'izany ilay sarety ka voatsindry tao ilay zazalahy kely 7 taona nitaingina tao nantiny. Niezaka namolaka ireo omby ihany ilay tovolahy mpandroaka sarety saingy tsy tafarina intsony ny sarety. Potika tanteraka ny lohan'ilay zaza. Maty tsy tra-drano ilay zazakely.
Mpianatra ao amin'ny saekoly FJKM ao Ankazondandy ity zaza ity. Ilay mpandroaka saarety niaraka taminy kosa dia tovolahy 18 taona. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Araka ny voalaza dia vokatry ny tsy fitandremana sy ny fikoropahana no tena nahatonga ny loza.
Olona 33 niharan-doza
Mbola vaovao mahakasika izay lozam-pifamoivoizana izay ihany dia nitrangana loza nandratrana olona teny amin'ny Bypass (RN7) omaly tokony ho tamin'ny misasakalina. Olona 33 avy any Soatanana (Fianarantsoa) ary hitodidoha ho any Port Bergé sy Mandritsara no niharan-doza. Nanao torimaso fotsy teo amin'ny fiolahana hiditra ny Bypass eo Iavoloha ilay mpamily ka nivadika ny fiara. Olona telo no tena naratara mafy, ary saika ireo efa zokiolona avokoa. Nisy ny 14 hafa naratra saingy rehefa nahazo fitsaboana tetsy amin'ny HJRA dia nalefa nody.
Farany. Nisy fiara Taxi avy any Ambatolampy ho aty Antananarivo nifandona tamin'ny Taxibe, afakomaly alina, tokony ho tamin'ny 8 ora, tetsy Amboanjobe (RN7). Raha ny fahitana azy dia mamo ilay mpamilin'ilay taxi (4g/litatra ny alikaola tamin'ny ràny).



4875midi-mg-005722-7814-24092008 Dimy lahy maty  voatifitry ny zandary
Fandriampahalemana
Dimy lahy maty  voatifitry ny zandary
Raikitra ny fifampitifirana teo amin'ny zandary sy andian'olona voalaza fa mampiahiahy ary nitoby tanaty trano iray, tany Betroka. Voaktr'izany, lehilahy miisa dimy no indray lavon'ny balan'ny zandary. Azo tamin'izy ireo ny basy kalachnikov iray sy bala iray miampy basim-borona calibre 12. tsy nisy bala intsony fa efa tapitra nampiasaina. Tamin'ireo olona dimy namoy ny ainy ireo dia nanao  tenue de combat  an'ny miaramila sy  béret  mena.
Izao vokatra izao dia vokatry ny fiaraha-miasa hentitra teo amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ireo olom-pirenena tsara sitrapo. Nahazo vaovao avy taman'olona tsara sitrapo ny Equipe d'Intervention Rapide (EIR) tao Betroka, tamin'ny alatsinainy tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany teo, fa misy andian'olona mampiahiahy fatratra mitoby ao anaty trano iray, ao amin'ny kartie antsoina hoe Tanakompania, ao antampon-tananan'i Betroka. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ny EIR, notarihin'ny Komandin'ny Kompania izy tenany, dia ny Kapiteny Randrianasolo Lova.
Natao araka ny lalàna ny fampitandremana (sommations) intelo misesy, tamin'ny feo avo dia avo, teo anatrehan'ireo olona maro vory : raha olona mazava ianareo dia mivoaha, fa zandarimaria izahay.
Afak'izay, ary satria tsy nivoaka ireo tao anatin'ny trano, dia nanapa-kevitra ny manamboninahitra nitarika ireto zandary ka nanafika ilay trano. Namaly bontana avy hatrany kosa ireo olon-dratsy ka nitifitra avy tao an-trano. Tamin'izany no nahavoa ireo olona dimy ireo.
Afa-doza indray ny vahoakan'i Betroka sy ny manodidina, ary amporisihana hatrany ny mpiara-monina mba tsy halaina hanome vaovao ireo mpitandro ny filaminana mialoha ny fanafihan'ny dahalo tahaka izao : aleo tokoa misoroka toa izay mitsabo, ary rehefa mahavita ny asa ratsiny ireo jiolahy, dia manjavona ka asa hafa indray ny fikarohana azy amin'ny fomba mahomby.



4898midi-mg-005746-784-09012008 Fiara mpisava lalan'ny Prezida nandona mpanao hiragasy
ANDOHATAPENAKA
Fiara mpisava lalan'ny Prezida nandona mpanao hiragasy
Nipitika teny ambony fiara ilay tovolahy. Vaky ny fitaratry ny fiaran'ny polisy ary nifampikasoka ny bemoto sy ny fiara. Izany no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Andohatapenaka, omaly antoandro tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany. Ireo fiara mpisava ny lalan'ny Filoham-pirenena sy ny bemoton'ny zandary ireto nifandona sy nandona olona ireto. Nanoloana indrindra ny magazay COURTS no niseho ny loza. Tovolahy iray mpanao hiragasy avy any Arivonimamo ity voadona ity.
Araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia efa-dahy izy ireo no naira-niampita ny arabe, izay samy mpanao hiragasy avy any Arivonimamo avokoa. Asa anefa na variana tamin'ny fanenon'ny  sirène  sy ny firifatr'ireto fiara tsara tarehy marobe sy feno jiromanga ity tovolahy ity, fa toa niahotra izany izy ny hiampita. Tsy afa-niala intsony ilay fiaran'ny polisy ka nahavoadona azy. Ilay bemoto nanaraka avy ato aoriana kosa tsy afa-niala intsony noho ny fijanonany tampoka ka nifatratra tany amin'ilay fiara. Voadona mafy ilay tovolahy tamin'izany ary nipitika teny amin'ny fitaratra mihitsy. Manaporofo ny hamafin'ny fifandonana ny fahavakisan'ny fitaratr'ilay fiara.
Mamo
Avy nisotrosotro ity tovolahy voadona ity, raha ny voalazan'ny tomponandraikitra avy ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. Izay angamba no nahatonga azy nitaredretra teny afovoan'ny arabe. Efa nentina teny amin'ny HJRA ilay naratra ka ny avy ao amin'ny Prezidansa no nandray an-tanana ny lany rehetra amin'ny fitsaboana azy. Tsy dia nahitana ratra loatra tety ivelany, na izany aza ny lohany no tena voadona mafy ka tsy maintsy natao  radio  sao misy ratra anatiny.
Handeha hitsena ny Filoham-pirenena eny Ivato ireto fiaram-panjakana ireto no izao niharan-doza tetsy Andohatapenaka izao.
Amin'izao lozam-pifamoivoizana izao dia mampahatsiahy ihany ny tomponandraikitra ny tsy maintsy hitandreman'ny mpandeha rehefa mandalo ireny fiaran'ny manampahefana ireny. Mandeha mafy mantsy izy ireny ary manana alalana manokana ny amin'izany. Na ny mpamily tsy manome lalana azy aza moa dia voasazin'ny lalàna ary mety ho voasintona mihitsy ny  permis .
Aina R.


4916midi-mg-005765-7857-25092008 Miaramila 5 lahy nikasi-tanana mpivady
Ambohijatovo
Miaramila 5 lahy nikasi-tanana mpivady
Afakomaly alina, raha nihazo ny lalana Ambohijatovo miakatra ho any Ambondrona handeha hody any Ankadifotsy ireto mpivady dia nosakanana miaramila miisa enina. Ny antony, araka ny vaovao voaray teo anivon'ny mpitandro filaminana, dia fisavana karatra. Tsy nanana karatra anefa ireo sivily ka nisy ny fikasihan-tanana azy ireo. Ny vaovao ihany koa no nahafantarana fa toa hoe nangatahan'izy ireo vola izy mivady. Raha nahita izany ilay lehilahy dia lasa nandositra nitady vonjy. Navelany teo ny vadiny izay bevohoka.
Tamin'izay fotoana izay indrindra anefa no nandalo ny fiaran'ny polisy mpanao fisafoana ary nilazan'ilay rangahy ny zavatra mahazo azy. Avy hatrany dia voahambana basy ireto miaramila. Lasa nandositra anefa ny iray fa ny dimy no tafajanona teo. Tsy niandriandry fa avy hatrany dia nentina teny amin'ny Commissariat 1er Arrondissement izy ireo. Rehefa nosavaina ny karany dia fantatra fa miasa eny amin'ny EMGAM izy ireo. Nalefa hatao famotorana eny Fiadanana izy ireo omaly.
Vao tamin'ny sabotsy alina no nahatratrarana miaramila roa lahy nanendaka olona teny Ambohidahy.



4919midi-mg-005769-7860-25092008 Lehilahy ipetrahan-javatra maty tao an-tranony
Befandriana
Lehilahy ipetrahan-javatra maty tao an-tranony
Tamin'ny faha-13 septambra teo, akory ny hagagan'ny havan'ity lehilahy iray nahita ny fatiny teo ambony fandriana tao an-tranony. Tranga hafa tokoa no nisy tany amin'ny tanàna atao hoe Antsakabary any Befandriana. Efa ela ihany no niteny tamin'ny havany io rangahy io fa misy zavatra te hipetraka aminy ary tandindomin'io foana izy. Tsy nety nino izany anefa ny fianakaviana izay fantatra fa mpivavaka.
Tamin'ny faha-12 septambra teo, tapaka ny hevitra fa ho sitranina amin'ny alalan'ny vavaka izy. Nentina tany an-tendrombohitra somary lavitra ny tanàna izy ary dia natao ny vavaka. Rehefa vita izany dia nitodi-doha nody ny rehetra. Rehefa akaiky ho tonga anefa dia naheno zavatra nikorontana avy ao anaty trano ao ny olona. Nihidy avy ety ivelany anefa ny varavarana.
Raha vao nijanona ilay korontana dia nandeha nijery ny zava-nisy ny tompon-trano sy ireo niaraka taminy. Akory ny hagagan'izy ireo nahita fa potika avokoa ny entana rehetra. Vaky ny fanaka sy ny lovia rehetra. Noho ny tahotra dia niala tamo amin'io trano io izy ireo. Rehefa alina, natory ilay lehilahy ary dia tsy nifoha intsony. Maty teo ambony fandriana.



4919midi-mg-005770-7861-25092008 Olona iray maty, 7 naratra mafy
FIFANJEVOANA
Olona iray maty, 7 naratra mafy
Olona iray maty, 7 hafa kosa naratra mafy. Io ny vokatry ny fifanjevoana niseho nandritra ny fampisehoana nataon'i Jean Aimé tany Ambanja ny faran'ny herinandro teo. Vokatry ny fifanosehana teo am-pivoahana sy noho ny hasomparan'ny sasany no nahatonga ny loza. Tovolahy iray vao erotrerony ary mpanao varo-mandeha ity maty ity. Efa tarabe, raha tokony ho tamin'ny 6 ora no nanomboka ilay fampisehoana ary tsy nifarana izany raha tsy tamin'ny 2 ora maraina. Izany indrindra no tena nampisy ny fifanjevoana sy ny fifanosehana noho ny fahamaikana hody.
Efa nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana.



4920midi-mg-005772-7863-25092008 Tsy hita koa ny zanany vavy
DOKOTERA NISY NAMONO. Tsy mitsahatra hatreo fa mbola mitohy ny tantaran'ireo mpivady nisy namono teny Mahamasina ny alin'ny zoma lasa teo.
Tsy hita koa ny zanany vavy
Noho ny alahelo ve dia lasa nisintaka, sa nisy naka an-keriny? Tsy hita popoka mantsy amin'izao fotoana izao ny zanaka vavin'ireo dokotera mivady nisy namono teny Mahamasina ny alin'ny zoma lasa teo. Raha araka ny voalazan'ny tomponandraikitra iray ao amin'ny mpanao famotorana, dia efa hatramin'ny alatsinainy izy io no tsy hita. Nirahina nandeha nividy lamba ho an'ny maty tamin'io andro io, izy ary tsy mbola niverina hatramin'izao. Efa noezahina nantsoina ny findainy saingy tsy mandeha. Efa nokarohina koa tany amin'ny namany rehetra, na izay toerana mety hahitana azy fa tsy nahitam-bokany izany. Hatramin'izao aloha ny fianakaviana dia tsy mieritreritra hoe nisy naka an-keriny izy, satria tsy mbola naharay antso, na taratasy fampitandremana izy ireo. Na izany na tsy izany, manahy ihany izy ireo amin'ny ain'ny havany. Omaly no nalevina teny amin'ny fasan-drazany eny Ambohipo ny nofo mangatsiakan'izy mivady nisy namono ireto.
Vonoan'olona mahatsiravina
Raha tsahivina dia ny alin'ny zoma hifoha sabotsy lasa teo no nisy namono tao an-tranony tamin'ny fomba feno habibiana, niaraka tamin'ny mpanampy vaviny izy mivady ireto. Ny zanany vavy, ilay tsy hita hatramin'izao, tonga tao an-trano ny marainan'ny sabotsy no nahita ny razana nihoson-drà nitsirara tamin'ny tany. Ny fatin'ilay rangahy tao amin'ny trano fandraisam-bahiny. Ny an'ilay ramatoa atao an-dakozia ary ny an'ilay mpanampy vavy tany amin'ny efitra any ambony rihana. Potika tanteraka ny lohan'izy telo mianaka ireto, toy ireny nototoina tamin'ny fanoto ireny. Nijininika eran'ny trano ny rà.
Ny zavatra mahagaga tamin'ity vonoan'olona mahatsiravina teny Mahamasina ity dia tsy nahitana zavatra very tao an-tranon'izy ireo ankoatra ireo firavaka volamena vitsivitsy. Ny firavaka volamena teny amin'izy mivady aza mbola hita teny avokoa. Tsy mpangalatra izany ireo namono azy ireo fa olona manana tanjona hafa mihitsy. Izao tsy hita indray ny zanak'izy ireo vavy ka asa indray izay mety ho tohin'ny tantara.

Lire aussi - Trafic de bois précieux : 23 troncs de palissandre saisis sur la RN5 - Ivato : Un Allemand détruit des billets d'ariary - Befandriana : Lehilahy ipetrahan-javatra maty tao an-tranony - Fifanjevoana : Olona iray maty, 7 naratra mafy - Brèves 


4922midi-mg-005776-7868-26092008 Miaramila nitsaoka an-daharana nangalatra môtô  Nalefa nody ilay nandrovitra vola Malagasy
Halatra
Miaramila nitsaoka an-daharana nangalatra môtô
Tamin'ny alarobia hariva, teny amin'ny faritra Analakely, dia lasan'olona ny môtôn'ny rangahy iray. Tamin'ny fotoana tsy nampoiziny iny no nisy nanambana basy azy. Tsy afaka nanao na inona na inona izy fa hany hery lasa nampandre ny polisy tao amin'ny boriboritany voalohany. Ny voavao voaray no nahalalana fa miaramila nitsoaka an-daharana io nanendaka azy io. Tamin'ny fandosirany ny toby nisy azy dia toa hoe nangalatra basy ihany koa ity miaramila ity.
Tato ho ato, re ombieny ombieny ny halatra sy fanendahana ataon'ireny miaramila ireny, na am-perinasa na tsy ao intsony.
Nalefa nody ilay nandrovitra vola Malagasy
Nandalo teny amin'ny fitsarana omaly ny raharaha mikasika teratany alema iray nandrovitra vola Malagasy teny amin'ny seranampiaramanidin'Ivato. Araka ny fantatra, saika hividianany zavatra teny amin'ny seranana ireo vola ireo. Rehefa tafiditra any anatiny any, nefa, tsy miasa intsony izany. Tezitra ny anao lahy ka norovidrovitiny teo imason'ny olona rehetra teo ny vola. Tafintohina ny ankamaroan'izay nahita izany. Avy hatrany moa izy dia noraisin'ny mpitandro filaminana. Nivoaka ny didy fampodiana azy tsy misy atak'andro omaly.
r.s. - r.s. 


4922midi-mg-005777-7870-26092008 Alahadin'ny Taranaka
FJKM Ambohibao Antehiroka
Alahadin'ny Taranaka
Hotontosaina amin'ny alahady faha-28 septambra izao ny alahadin'ny Taranaka ao amin'ny FJKM Ambohibao Antehiroka. Koa maintso antsika taranany rehetra ho tonga eny an-toerana hankalaza io andro manan-tantara io. Maro ny asa miandry antsika ka anisan'izany ny ezaka fanorenana ny Akany fehizoro sy ny famitana ny trano ipetrahan'ny concierge. Ho an'io farany io, efa natomboka ny asa ka ny sampana dorkasy no nanao ny ampahany be. Amin'ny famitana ny trano na dia mbola bebe ihany ny vola hotratrarina satria mahatratra hatrany amin'ny 2 tapitrisa Ar izany.
Koa antsoina isika rehetra ho tonga maro  fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra...


4923midi-mg-005779-7872-26092008 Tratra ireo mpanendaka mitam-basy
ANTANINANDRO. Ela ny ela ka sarona ihany ireo telolahy nampiteny irery ny mponin'ny boriborin-tany fahatelo. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ny naman'ireo mbola tadiavina. 
Tratra ireo mpanendaka mitam-basy
Mpianatra, mpandalo ary mpandeha fiara. Tsy misy izay tsy efa nataon'ireo nahita faisana izay sendra azy teny amin'iny faritry ny boriborin-tany fahatelo iny. Ny faramparany izay niharan'izany dia tovovavy iray mpianatra sendra mba nandalo tetsy Antaninandro ny talata lasa teo. Tsy tahotra tsy henatra ny an'ireo mpanendaka naka naka ny rojo teny ambozonany, amin'ny andro atoandro be nanahary. Soa ihany fa mba sendra mba tazan'ny pôlisy iray izay niasa tsy lavitra loatra ilay toerana izany. Rafitra ary ny fifanenjehana izay nahazoana ny iray tamin'ireo efa-dahy.
Kôma, Dôdôma sns
27 taona izy io ary monina ao Antsahakely. Nandeha ny fanadihadiana ary nanondro namany roa hafa indray izy. Tsy iza izany fa I Kôma, 27 taona, sy I Dôdôma, 19 taona izay samy monina sy nosamborina tao Ampandrana avokoa. Raha araka ny nambaran'ny mpanao fanadihadiana dia samy niaiky ny heloka vitany izy telolahy ireo. Mbola nohamarinin'ireo (mpangalatra) aza fa izy ireo no tena isan'ny tompon'antoka amin'ny fanendahana eny amin'ny manodidina an'Ambodivona, Antsahakely, Ambondrona ary Tsiazotafo iny. Fotoana vitsy taorian'ny nahazoana ireto mpanendaka ireto dia efa nandeha be ny feo. Maro arak'izany ny olona tonga mba hijery ny tarehin'ireo ary nisy ny avy hatrany dia nahatadidy fa efa lasibatr'ireo. Isan'izany ity lehilahy iray izay voambana basy teny ambonin'ny fiara 4X4 nentiny.
Firavaka hatrany
Firavaka volamena milanja 120 girama teny aminy no lasa tamin'io fotoana io. Nanamarika tanteraka ny mpitory fa ireo telolahy ireo mihitsy no tena tompon'antoka tamin'ny fanendahana azy. Nitombo ihany ny fitarainana ary nisy olona hafa indray nilaza fa mbola ireo telolahy ireo koa no nanendakla azy tetsy Ambodivona ny 16 septambra lasa teo. Gourmette volamena no lasa tamin'io rehefa nambanana basy tao anaty fiara ny tompony. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olon-dratsy ary samy nidoboka am-ponja vonjimaika mandram-pahatongan'ny fotoam-pitsarana azy.
D.R 
Lire aussi - FJKM Ambohibao Antehiroka : Alahadin'ny Taranaka - Traite de personnes : Un centre d'analyse criminelle 


4961midi-mg-005820-7914-27092008 Olona telo namoy ny ainy teny amin'ny Route Digue
Lozam-pifamoivoizana
Olona telo namoy ny ainy teny amin'ny Route Digue
Olona telo no indray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin'ny Route Digue ny alin'ny alakamisy teo. Fiara 4X4 sy Golf no nifandona. Tafahoatra ny fefiloha ilay fiara 4X4 ary nianjera tany amin'ny reniranon'Ikopa. Vokatr'izany, olona telo mianaka tao anatiny no indray namoy ny ainy. Olona roa tety ivelany ihany koa voa mafy.
Tokony ho tany amin'ny 2 ora maraina tany no niseho ny loza. Hanatitra olona eny Ivato ilay fiara 4X4. Ilay Golf kosa ho aty an-drenivohitra. Ilay olona ho any am-pita, potika ny lohaliny ary mbola manaraka fitsaboana. Ny tompon'ny fiara indray azo lazaina fa nieren-doza na dia nahitana ratra maromaro aza ny tenany. Ny vadiny izay niaraka taminy koa tsy dia naninona loatra.
Manoloana ny La Scarpa teo aloha no niseho ny loza. Ny fanadihadiana ataon'ny tomponandraikitra no hahalalana bebe kokoa ny antony nahatonga ny loza.



4961midi-mg-005821-7915-27092008 Lehilahy maty kofon'ny tantely, nitangoronan'ny vitsika
Maroantsetra
Lehilahy maty kofon'ny tantely, nitangoronan'ny vitsika
Loza no nahazo ity lehilahy iray. Nividy tantely tamina mpivarotra iray izy. Teo noho eo ihany dia nihinanany kely izany. Avy hatrany dia ohatran'ny nikoakohaka izy. Toa afaka ihany anefa aloha. Afaka roa ora anefa, maty ity olona ity. Tany amin'ny tanàna atao hoe Marovana, distrikan'i Maroantsetra no nisehoan'izany ny 23 septambra lasa teo.
Ny vaovao ihany no nahalalana fa avy nisotrosotro ity rangahy ity no nandalo teo amin'ilay mpivarotra tantely. Manoloana ny fahavoazan-drangahy dia nandeha nijery ilay vehivavy mpivarotra tantely ny fianakaviany. Mbola nisy ambiny ilay izy ka nasaina nohanin'ilay ramatoa teo imason'ny rehetra. Nanahy mantsy ny fianakaviana sao nisy poizina ilay nomena ny havany. Tsy naninona mihitsy anefa ilay vehivavy. Nilaza ihany koa ny dokotera fa tsy nisy poizina tamin'ny fatin'ilay rangahy.
Raha mbola samy lasa saina tamin'ny fahafatesan'ny havany teo ny olona ny faha-24 septambra, dia nisy tranga hafa nanaitra azy ireo. Nitangoronan'ny vitsika ny razana. Ireny vitsika lehibe ireny. An-keviny tafaparitaka tamin'ny tenany ny tantely nampikohaka azy. Naka fepetra ny tao an-tanàna ka tsy maintsy nalevina io andro io ihany ny fatin'ilay rangahy. Ny olona tany aloha dia nilaza fa raha sanatria kofon'ny tantely dia tsy maintsy misotro rano haingana.



4961midi-mg-005822-7916-27092008 Nipoaka ny basy, olona telo naratra
FONJAN'ANTSIRANANA. Tsy mandry andro tsy mandry alina ihany koa ny mpiandry fonja ao Antsiranana manoloana ny feo mandeha fa misy mikononkonona fanafihana.
Nipoaka ny basy, olona telo naratra
Omaly antoandro no nitrangan'izany tao anatin'ny fonjan'Antsiranana. Olona telo no naratra, hoy ny tomponandraikitry ny fonja, ka ny iray voa teo amin'ny ravin-tsofiny, ny iray teo amin'ny tanany ary ilay farany kosa teo amin'ny feny. Araka ny baiko azon'izy ireo avy any Antananarivo dia  consigné  ny fonja tao anatin'ny andro maromaro izay. Omaly ihany, raha sendra variana ny miaramila mpiambina dia nisy nanaitra hoe :   Aza matahotra, aza matahotra! . avy hatrany izy dia naka ny basiny izay nihantona teo akaikiny. Noho ny fahatairany anefa dia voakitika ny  sureté -n'ilay basy ka nandratra ireo olona ireo.
Nafana fo
Nisy iray tamin'izy ireo no torana ka voatery nampidirina tao amin'ny  Bloc  ao amin'ny hopitaly be. Nisy tamin'ireo mpanatitra sakafo nangataka hijery ny havany izay naratra saingy tsy navelan'ireo tao amin'ny fonja hiditra izy ireo. Tsy mbola fantatr'izy ireo mazava ihany koa ny fahavoazana mahazo ny havany ka hametraka fitoriana izy ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
V.JCL 
Lire aussi - Lozam-pifamoivoizana : Olona telo namoy ny ainy teny amin'ny Route Digue - Maroantsetra : Lehilahy maty kofon'ny tantely, nitangoronan'ny vitsika 


4976midi-mg-005838-7931-29092008 NULL
 
Nécrologie (29/09/08) 

4995midi-mg-005858-7951-29092008 Lehilahy roa nisy namono dia natsipy amoron-dalana
Antsirabe
Lehilahy roa nisy namono dia natsipy amoron-dalana
Omaly alahady maraina be dia naharay antso ny polisy teo Antsirabe fa misy fatin-dehilahy tokony ho 30 taona iray hitan'ny olona teny amin'ny Piste Vatofotsy. Rehefa tonga teny an-toerana ry zareo, nizaha ny zava-nisy, dia nahamarika avy hatrany fa nisy namono io olona io. Nahitana dian'antsy teo amin'ny tendany ary feno ratra ny tenany rehetra. Nihohoka tamin'ny tany ilay razana. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany aminy. Nentina eny amin'ny tranom-patin'ny hopitaly ny vatana mangatsiaka.
Omaly ihany fa teny mahazoarivo Avaratra dia nisy fatin-dehilahy iray hafa koa. Olona tokony ho 40 taona eo. Nisy nanipy na nametraka tamin'ny sisin-dalana teo akaikin'ny biraon'ny fokontany ny razana. Sahala amin'ilay voalohany ihany dia hita taratra koa fa nisy namono izy io. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy koa tany aminy ary nalefa eny amin'ny tranom-paty ohatra an'ilay voalohany.
Ny nahavariana ny rehetra dia tsy fanendahana no anton'ny famonoana. Samy mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafian'ireo olona hita faty ireo. Efa raisin'ny polisy an-tanana ny raharaha.
Lova
 
 


4995midi-mg-005859-7952-29092008 Tapatapany  Olona 26 naratra mafy  Mpiandry omby maty nilatsahan'ny varatra
Tapatapany
 
Taxi-be nivadika.
Olona 26 naratra mafy
Nivadika nanao ambony ambany ny taxi-be iray avy any talata Andraikiba ho any Tombotsoa tamin'ny zoma lasa teo. Tokony ho tany amin'ny 5 ora tany no niseho ny loza. Hiditra tetezana iray ny mpamily ary somary nadeha mafy satria hananika fiakarana avy eo. Tsy voafehy tsara anefa ny familiana ka dia izao nivadika izao. Lasa mabony ny kodiarana efatra. Mpianatra avy amin'ny oniversite tsy mainkina iray ny ankamaroan'ireo naratra ireo. Samy mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly avokoa satria nisy ny tapa-tanana sy tongotra ary vaky loha.
Lova
 
Fenoarivobe
Mpiandry omby maty nilatsahan'ny varatra
Tamin'ny alahady faha-21 septambra teo dia avy be ny orana tany amin'ny faritr'i Fenoarivobe. Nirefodrefotra ny varatra. Nisy olona roa niandry omby teny an-tsaha tsy lavitra ny tanana atao hoe Avaratry ny rano. Tampoka teo anefa nilatsaka ny varatra ary niantefa tany amin'ny iray tamin'izy ireo. Voa teo amin'ny lohany izy. Natao ihany ny famonjena azy nefa tsy tana ny ainy. Fa tamin'ny faritra hafa, any Bongolava ihany, namely ihany ny havandra ary maro ny voly simba.
H.J.
 
 


4995midi-mg-005860-7953-29092008 Nisy fifamaliana be tao an-trano
Famonoana dokotera mivady.
Nisy fifamaliana be tao an-trano
 
Mitohy hatrany ny famotorana sy ny fikarohana izay nahavita namono ireo dokotera mivady sy ny mpanampy azy, niseho teny Mahamasina herinandro mahery lasa izay. Hatramin'izao aloha, tsy misy mangirana mihitsy. Re teny amin'ny manodidina kosa anefa fa tamin'ny andro nahafaty azy telo ireo dia nisy olona tonga tao an-tranony, tokony ho tany amin'ny 7 ora maraina tany. Niakatra be ny feo avy eo ary nisy olona nifamaly mafy mihitsy heno hatrany ivelany. Feon-dehilahy ilay izy. Ny loharanom-baovao ihany no nahafantarana fa manodidina ny resaka lova no re. Tamin'izay fotoana izay dia voalazan'ny vaovao voaray ihany koa fa tsy mbola tao an-trano ilay dokotera lahy. Tsara homarihina fa iray volana mahery kely izay dia niakatra fitsarana izy mivady namoy ny ainy ireo. Resaka lova no nahatonga azy teny, hoy ihany ny voavao azo, ary nandresy ry zareo.
 
Tsy mbola hita
 
Hatreo ihany no fanampim-baovao fantatra. Dia ireny niarahan'ny rehetra nahita sy nahafantatra ireny ireny ny zava-nisy. Faty telo be izao no novantanin'ny zanany vavy tamin'ny fahatongavany tao an-trano, rehefa namonjy fodiana vao maraina izy. Fa mikasika azy io dia re ihany koa izao fa tsy mbola fantatra izay toerana misy azy sy izay nalehany hatramin'izao na dia manao izay ho afany aza ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy taorian'ny nahitana ireo razana no voalaza fa nivoaka hividy lamba ary tsy niverina intsony. Asa moa raha nisy olona niaraka taminy tamin'izay na izy irery.
r.s.
 
Lire aussi
Antsirabe : Lehilahy roa nisy namono dia natsipy amoron-dalana
Bref....
Tapatapany


5026midi-mg-005892-7984-30092008 Norahonany ho faty ny vadiny sy ny rafozany
Jiolahy
Norahonany ho faty ny vadiny sy ny rafozany
Tamin'ny alin'ny sabotsy, norahona'ity lehilahy iray ho faty ny vadiny sy ny rafozany. Eny Volosarika Ambanidia ry zareo no monina. Tsy niandry tao an-trano io farany io fa lasa nampandre ny polisy tao amin'ny commissariat Ambohijatovo. Raha vao nahare ny vaovao moa ny mpitandro filaminana dia nandeha tany an-toerana. Raha mbola tany ivelany izy ireo dia nahare tabatababe avy ao amin'ilay trano. Re tamin'izany ny hoe hovonoiko amin'ity  itena.
Niditra ireo polisy ka saika handray ny basy izay nataony tao ambany ondana ilay bandy. Tsy afaka nihetsika intsony anefa izy teo anoloan'ireo mpitandro filaminana. Nojerena ilay fitaovampiadiana ka tamin'izany no nahafantarana fa mitondra ny marika Makarov  izy ity. Nisy bala fito tao anatiny ary efa voafahana vonona hitifirana. Basy anisan'ny tena mahery vaika ary tsy azon'olon-tsotra tazonina.
Araka ny filazan'ilay rafozany dia nifandray tendro tamin'ny tarik'i Titakely, jiolahy nampihorohoro iny faritra Ambanidia iny, io vinantony io. Ny tatitra azon'ny polisy ihany koa no nahalalana fa tena jiolahy io nosamborina io. Mpanendaka manambana basy amin'iny faritra iny izy io. R.H.D. antsoina hoe Fidy. 29 taona izy ary monina ao Volosarika Ambanidia sy La Haute ville.
Hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana anio ity olona ity.



5026midi-mg-005893-7985-30092008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Vonoan'olona tetsy Mahamasina. Nidina tany Fianarantsoa ny polisy. Mitohy hatrany ny famotorana ataon'ny polisy mikasika ny famonoana ireo dokotera mivady ny sabotsy 18 septambra lasa teo. Fantatra fa tsy hita efa ho herinandro izay ny zanany vavy sy ny vinantolahiny. Nandeha ny feo fa any Fianarantsoa izy ireo ka nidina tany ny polisy saingy nody maina.


5047midi-mg-005917-801-10012008 Olona iray maty, iray naratra mafy
Olona iray maty, iray naratra mafy
  Nirodana ny trano iray tetsy Betongolo omaly tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany. Vokatr'izany, olona iray no maty ary iray hafa naratra mafy. Tsy lavitra loatra ny kianja filalaovana baolina no nisy izany loza izany. Araka ny fantatra dia efa nisy fahasimbana izy io tamin'ny herinandro lasa teo, nihotsaka ary efa nandratra olona. Rehefa nijanona àry ny orana dia natao ny fanamboarana. Zava-doza anefa no niseho fa io nianjera io indray ilay izy. Ireo mpikarama nalaina nanamboatra   izany ireo maty sy naratra ireo. Amin'ny fotoanan'ny orana, ahiana ny fahasimbana isan-karazany indrindra amin'ny toerana fandalovan'ny riaka. Mila mitandrina tsara arak'izany ny rehetra.  
Toamasina  
Nirodana ihany koa ny trano fonenan'ny zandary tao amin'ny Cite Printania na cite Bemoto tany Toamasina omaly maraina tamin'ny 10 ora. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy na olona naratra. Tsara vintana ny ankizy iray izay vao avy naka sakafo tao amin'io trano io ary haterina any amin'ny reniny mivarotra any an-tsena. Vao tafavoaka kelikely izy dia io nirodana io ilay trano. Efa fotoana ela no tsikaritra fa misy fahasimbana ilay trano. Rehefa misy olona mandeha dia mihevitrevitra ilay izy. Nisy faritra efa nivava ary nisy andry efa tsy teo intsony. Raha fianakaviana 20 no nipetraka tao tany aloha, 5 sisa talohan'ny nirodanany. Nanomboka tany amin'ny tafo sy ny lavarangana no nianjera. Omaly hariva dia nifanome tanana ny rehetra namoaka ny entana tototra. Araka ny fantatra dia efa tamin'ny taona 1958 no vita ity trano ity. Voalaza anefa fa toa tsy nisy fanamboarana mihitsy ilay izy.
r.s./JCS


5060midi-mg-005931-8023-01102008 Tsy natao hoe sefo dia nanapoaka basy
ANKAZOBE. Tsy voafehin'ilay Kaporaly ny hafanam-pony.
Tsy natao hoe sefo dia nanapoaka basy
Napoakan'ilay Kaporaly ny basy Kalachnikov  teny aminy noho ny hatezerany tamin'ilay lefitry ny Ben'ny tanàna tsy niantso azy hoe sefo. Tranga niseho tany Ambohitromby Ankazobe io omaly atondro. Miaramila mitondra ny grady Kaporaly miasa amin'ireny DAS na Détachement Autonome de Sécurité ireny ity nanapoaka basy ity, ary lefitry ny Ben'ny tanàna any an-toerana ilay nanapoahany azy. Nipetrapetraka tao amina fivaroratana iray ilay kaporaly niaraka tamina lehilahy iray hafa. Niditra ilay fivarotana kosa ilay lefitry ny Ben'ny tanàna ka niarahaba azy ireo. Tsy niantso an'ilay miaramila hoe SEFO anefa ity farany ka tezitra noho izany izy. Avy hatrany dia nampiaka-peo sady nivoaka ilay fivarotana ka nanao tifi-danitra.
Avy hatrany dia nampandre ny manam-pahefana tao an-toerana sy ny mpitandro filaminana ilay lefitry ny Ben'ny tanàna ka nosamborina ilay miaramila ary nentina tany amin'ny birao halaina am-bavany.
Raha ny tokony ho izy dia tokony ho esorina eny aminy avy hatrany ilay basy ary tokony hahazo sazy ara-miaramila mihitsy izy noho izany fihetsika tsy voahevitra izany. Inoana fa misy lalàna hentitra ao amin'ny miaramila amin'ny fanapoahana basy ary tokony hisy fanazavana mitombina sy marim-pototra tokony hataon'ny miaramila tsirairay amin'ny lehibeny isaky ny bala mipoaka, toy ny any amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena.
Tokony hojeren'ny tomponandraikitra akaiky ny mikasika ny fanomezana basy ireny miaramila ireny satria dia toa tsy voafehin'izy ireo tsar any fampiasana izany. Vao tsy ela koa tamin'iny faritra iny no nisy ilay miaramila nahafaty olona tamin'ny Kalach.



5060midi-mg-005932-8024-01102008 Mpivarotra notafihana fito lahy mirongo basy
Fanafihana
Mpivarotra notafihana fito lahy mirongo basy
Fanafihana mitam-piadiana niseho ny alin'ny 29 hifoha 30 septambra lasa teo tany Imerikanjaka, Mantasoa. Mpivarotra enta-madinika iray no notafihan'ny jiolahy miisa fito, ka ny 5 mitondra sabatra ary ny roa kosa mitondra basy. Nafatotr'izy ireo ny tompon-trano ary lasany ny vola mitentina 15 tapitrisa miampy ireo firavaka volamena tao an-trano. Nitondra tohatra ireo mpanafika ka avy any am-baravarankely ambony no niditra ary avy hatrany dia nivantana tao amin'ny efitra fandrian'ny tompon-trano. Ny roalahy nanambana basy ny tompon-trano, ny sasany kosa namatotra azy ireo ary nisava ny tao an-trano iray manontolo.
Lasan'ireo jiolahy ny vola 15 tapitrisa tao an-trano, niampy ireo firavaka volamena maromaro. Vao azon'izy ireo izay notadiaviny dia nandositra ireo jiolahy. Niezaka niantso vonjy ny tompon-trano ka raha vao nahare ny fokonolona taitra ireo jiolahy dia nanapoaka basy sady nanao tari-dositra. Mbola tsy hita hatramin'izao ny najavonan'izy ireo. Efa nampandrenesina ny zandary tany an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy. Soa fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana.



5060midi-mg-005933-8025-01102008 Nahafaty olona dia nitsoaka
Analamahitsy
Nahafaty olona dia nitsoaka
Ny alin'ny alatsinainy hifoha talata no nitrangan'ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity. Lehilahy roa nitaingina môtô no voafaokan'ny fiara iray. Vokatr'izany, maty tsy tsa-drano ny iray raha mba avotra kosa ilay faharoa rehefa tonga teny anivon'ny toeram-pitsaboana. Ny alin'iny ihany dia naterin'ny olona teny amin'ny tranom-patin'ny Hjra ny razana. Noraisin'ny pôlisy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay nahavanon-doza.
D.R 


5060midi-mg-005934-8026-01102008 Nanafika tamin'ny basy kilalao, 5 taona an-tranomaizina  Nohenoina ilay polisy namono zazavavy
Anosy
Nanafika tamin'ny basy kilalao, 5 taona an-tranomaizina
Niakatra fitsarana omaly teny anosy ny raharaha fanafihana fianakaviana iray teny Malaza Andoharonofotsy. Niisa enina izy ireo tamin'izany ary fantatra omaly fa basy kilalao no nandrahonana ny tompon-trano. Nisaron-tava ireto jiolahy ireto tamin'izay. Tamin'ny alin'ny faha-16 febroary no niseho ity fandrobana ity tokony ho tamin'ny 12 ora. Raha vao nahita ny basy ny olona tao an-trano dia tsy nisy sahy nihetsika fa nanaiky mora. Nisy nahafantatra ny sasany tamin'izy ireo ihany anefa satria re fa efa nisy niasa tao amin'io trano norobainy io. Avy amin'izany no nahazoana nisambotra ireto jiolahy ireto.
Re teny Anosy omaly ihany koa fa ny iray tamin'ireo notsaraina dia efa mpiambina tao amin'ny fitsarana ary izany angamba no nahatonga azy ho sahisahy sahala amin'izao. Nivoaka ny didy koa dia voasazy hiasa an-terivozona 5 taona Ravorona sy Ra-maître. Ity farany ity moa tsy nitranga omaly. Tamin'ny fotoana niakarany fampanohavana dia nahazo fahafahana vonjimaika izy. Nivoka koa izany ny didy mampisambotra ity olona ity. Nisy tamin'ireo jiolahy afaka noho ny fisalasalana.
Nohenoina ilay polisy namono zazavavy
Omaly dia niverina nohenoina teny amin'ny fampanohavana indray ilay polisy nametaveta sy namono ary ny nanary ny fatin'ilay ankizy vavy teny amin'ny Cimetière Anjanahary. Raha tsahiviny fohy ny zava-nitranga tamin'izay fotoana izay dia toy izao: zana-badiny io ankizy vavy io ary tsy tao an-trano fa niasa ny reniny tamin'izay. Efa hariva dia voalaza fa nirahiny nividy lame ilay ankizy. Ary dia tamin'zay no nahitana azy farany. Avy eo, nisy nahita an'ilay nahavanona ny loza nivoaka ny trano sahirana be nitondra sakaosy mavesatra. Tany aminy no niantefa ny ahiahin'ny mpanao famotorana. Rehefa nojerena ny trano nofainy tamin'ny anabaviny dia hita tao ny tapaka lamba mainty namonosana ny razana. Nosamborina izy teo anoloan'ny porofo tsy azony nialana.
r.s. - r.s. 


5060midi-mg-005935-8027-01102008 Adala nanindrona antsy
Alarobia
Adala nanindrona antsy
Ny adala rehefa adalaina dia mahavita zavatra mihitsy. Tamin'ny alatsinainy hariva tokony ho tamin'ny 8 ora, araka ny resaka nifanaovanay tamin'ny rahalahan'io olona adala io, nisy nanadala ny zandriny izay fantatra fa tsy salama saina. Nalain'ny olona ny satrony. Tezitra izy ary nandeha nody naka antsy. Raha voa tafaverina ny anao lahy, avy dia nasiany tamin'izany antsy izany ireo olona. Nis voa teo amin'ny feny sy ny kibony. Tsy maintsy nalefa teny amin'ny hopitaly notsaboina izy ireo.



5060midi-mg-005936-8028-01102008 Nanafika tanàna 49 sy namono olona efatra
ANDIAN-JIOLAHY. Havadika ho faritra manga i Melaky izay tena isan'ny ataon'ny dahalo lasibatra. Izay no tanjon'ny zandary izay vao avy naharava tambazotra iray.
Nanafika tanàna 49 sy namono olona efatra
Fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana no tena ahafantaran'ny maro an'ity lehiben-jiolahy fantatra amin'ny hoe Lefaroratra ity. Ny faritr'I Melaky no tena matetika ataony lasibatra miaraka amin'ny ekipany izay matetika am-polony hatrany. Be loatra ny fitarainana azon'ny zandary manodidina an'izany ka nahatonga an'ireo nandray an-tànana sy nifantoka tamin'ny raharaha. Raikitra ary ny savahao tao amin'ny tanàna atao hoe Andrafialava. Sarona tamin'io hetsika io I Lebaba Julien, fantatra ihany koa amin'ny anaran-jiolahy hoe Lefaroratra na Iaban'I Lekoro.
Faritra mena
Voasambotra niaraka taminy ny namany enin-dahy sy ireo mpiray tsikombakomba sivy hafa izay samy nalefa am-ponja avokoa miandry ny fitsarana azy. Niaiky ireo voarohirohy fa tena havanana amin'ny asan-jiolahy. Tanàna 49 no efa notafihany ary olona efatra no efa matiny. Nisy ihany koa ireo roa hafa izay nitondra kilema mandra-maty noho ny hetraketrak'ireo. Mbola nomarihin'ireo koa fa nahatatra 255 ny omby efa lasan'ireo hatramin'izay. Havadika ho faritra manga fa tsy ho menan'ny asan-dahalo intsony i Melaky. Izay no tanjon'ny zandary ka nandrisika azy amin'ity hetsika ity.
D.R 
Lire aussi - Fanafihana : Mpivarotra notafihana fito lahy mirongo basy - Analamahitsy : Nahafaty olona dia nitsoaka - Anosy : Nanafika tamin'ny basy kilalao, 5 taona an-tranomaizina - Alarobia : Adala nanindrona antsy 


5072midi-mg-005950-8042-02102008 Olona 23 natolotra ny Fitsarana
HALA-JAZA. Saika ny olona rehetra tao an-tanana dia liana tamin'ity raharaha ity avokoa. Nohodidinin'ny mpitandro filaminana marobe ny lapan'ny Fitsarana.
Olona 23 natolotra ny Fitsarana
Fangalarana sy fitazonana zaza io no anenjehana ireo mpivady tompon'ny Zaza mila vola. Fanimbana fananan'olona , io kosa no anenjehana ireo olona 21 ambiny natolotra ny Fitsarana tany Arivonimamo omaly. Vao maraina dia efa tomefy olona ny manodidina ny lapan'ny Fitsarana tao Arivonilmamo omaly. Tetsy andaniny koa anefa, tomefy mpitandro filaminana teny an-toerana. Toy ireny hisy fitsarana jiolahy rain-dahiny na olona ambony eto amin'ny firenena ireny. Tsy inona anefa ny raharaha natolotra ny Fampanoavana tao fa ny raharaha izay mahavoarohirohy ireo mpivady monina ao Imerintsiatosika, izay voalaza fa nangala-jaza miisa enina ny alin'ny zoma 4 jolay lasa teo. Nisy ny hatezeram-bahoaka tamin'izay ka niafara tamin'ny fandoroana trano sy fanimbana fananana izany. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana tamin'io fotoana io. Mikasika io fanimbana fananana sy fandorana trano io kosa no mahavoarohirohy ireo olona 21 ambiny. Ireo mpivady tompon-trano indray no nitory azy ireo ary saika ray aman-drenin'ireo zaza voalaza fa nangalarina avokoa no ao anatiny.
Hatramin'izao ora anoratanay izao aloha dia tsy mbola eo am-panaovana famotorana ny Mpitsara ary tsy mbola fantatra na hisy olona hampidirina am-ponja na ahoana. Tamin'ny 11 ora tany ho any no nanomboka nandinika ny antontan-taratasin'ady ny Fampanoavana. Tany ho any amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro kosa vao nanomboka ny fakana am-bavany ireo olona voarohirohy. Rariny raha alim-be vao mety ho vita izay atao ao.
Tsiahy. Raha tsiahivina dia ny alin'ny zoma 4 jolay lasa teo no niseho ity tantara ity, tao an-tampon-tananan'Imerintsiatosika. Nisy zaza 6 niditra tao amin'ny tananan'ireto mpivady tompon'ny Zaza mila vola  ireto. Nolazain'izy ireo ho nangalatra tao ireo zaza ireo ary notazoniny. Na izany aza, nampandre ny zandary ihany izy ireo. Niangavy ny hamoahana ireo zaza ireo ny zandary, ka namela azy ireo handeha ny tompon-trano saingy ny resaka nifamaliana tamin'ny ray amandrenin'ireo zaza sy ny fonkonolona no niteraka ny korontana. Tsy hitahita teo dia nirongatra ireo fokonolona tao an-tanàna ka nisy ny nandoro ny trano ary nisy ny nanararaotra nangalatra. Vokany may tanteraka ilay trano lehibe, niampy ny fiara efatra teo an-tokontany. Tonga tany an-toerana ny mpamonjy voina avy aty Antananarivo saingy voatora-bato. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ka nisy ny olona maromaro voasambotra. Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona no nanao ny famotorana ireo mpivady ary nyzandary tany an-toerana kosa no nanao ny an'ireo olona 21 hafa.

Vaovao tapatapany - Ambolokandrina : Attaque à main armée 


5072midi-mg-005951-8043-02102008 Nitifitra olona indray ny polisy
ANKASINA
Nitifitra olona indray ny polisy
Nitifitra olona indray, omaly, ny polisin'ny GIR (Groupe d'Intervention Rapide) tetsy Ankasina - Andohatapenaka. Tokony ho tamin'ny 4 ora maraina, raha nanao andrimaso tamin'iny faritra iny ry zareo, satria naharay vaovao fa misy olona manana basy eny. Nifanena  tamina olona telolahy nanaraka maizimaizina ny polisy ka nanao fampitandremana. Voalazan'ny polisy ihany koa fa nitifitra io olona io ka tsy maintsy nitifitra koa ry zareo. Misy fifanoheran-javatra ihany anefa  ny voalaza satria ny polisy ihany avy eo no milaza fa rehefa nosavaina ny sakosy teny aminy dia basy kilalao no tany aminy. Ka basy kilalao ve dia ahafahana mitifitra polisy?
Ity tovolahy antsoina hoe Bosco ity, 25 taona dia voan'ny bala teo amin'ny tongony ny ranjony ary ny tratrany, ary manaraka fitsaboana eny amin'ny HJRA izy amin'izao fotoana izao.
Raha nanontaniana ny fianakaviany dia nilaza fa tsy jiolahy velively i Bosco na i Kaka fa mpivaro-damba eny Andravoahangy, ary handeha hamonjy tsena maraina eny no nialany tao an-trano. Ankoatra izay dia lamba tamin'ny gony no nentiny fa tsy sabatra na basy velively.
Tokony ho tamin'ny 6 ora maraina dia nosamborin'ny polisy ihany koa ny rahalahin'i Kaka, izay tonga nijery azy teny amin'ny biraon'ny polisy teny Tsaralalàna.



5072midi-mg-005952-8044-02102008 VAOVAO TAPATAPANY
VAOVAO TAPATAPANY
 - Antohomadinika. Toaka gasy 216 litatra saron'ny polisy. Ny harivan'ny talata teo tokony ho tamin'ny 7 ora no tratran'ny polisy teny Antohomadinika ny toaka gasy 216 litatra natao tanatina tavoahangy plastika miisa114 ary nentina tanaty fiara Mazda. Avy any Vatomandry ireto toaka ireto ary saika hamidy teto an-drenivohitra hakana tombony.
 - Fasan'ny Karana. Mpanera manendaka. Mody miady ireo mpanera telolahy hay manendaka ireo mpandeha. Ny talata teo dia nisy roalahy mpandeha ho any Antanifotsy no nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Ny iray misintona ny Blouson sady maka ny vola ary ny roa midaroka ireo mpandeha. Tratra ihany anefa ka natolotra ny polisy.
 - Anosizato. Môtô halatra. Nandritra ny sakana nataon'ny polisy teny Anosizato ,omaly alina, dia nisy lehilahy iray nandalo teo manosika moto YAMAHA JOG 90 miloko manga. Vao nanatona anefa ny polisy dia nazerany ny moto ary vaky nandositra izy.



5088midi-mg-005969-806-10012008 Séries d'investitures
Maires
Séries d'investitures
Les engagements des maires, l'esprit d'initiative et de responsabilité. Ce sont les mots clés de la cérémonie d'investiture des maires, hier. En effet, 55 maires (dont 4 femmes) de la région Amoron'i Mania ont été investis par le ministre coach de cette région, Désiré Rasolofomanana, secrétaire d'Etat à la Sécurité publique. Le benjamin des ministres, Ivohasina Razafimahefa de l'Economie, du Commerce et du Plan s'est aussi déplacé à Vohipeno pour la même cérémonie mais pour la région Atsimo Atsinanana. La région Analamanga effectuera la sienne, ce jour, au gymnase couvert d'Ankorondrano.
NR
Politique 

5094midi-mg-005977-8068-03102008 Stef'Auto championne d'Atsinanana
Volley-ball
Stef'Auto championne d'Atsinanana
La saison du volley féminin à Toamasina a rendu son verdict. C'est l'équipe 1 de Stef Auto qui a gagné le championnat. Opposées en finale à la JIRAMA, la bande à Sylvie les a battues par 3 sets à 1. Un résultat bien sûr très apprécié par leur président Stéphane et le coach Mamy. En totalité, Toamasina a pu aligner pour son sommet 5 équipes dames, en l'occurrence, Stef Auto 1 et 2, HTM, AS Mamie et la JIRAMA. Ce sera avec celle-ci que Stef'Auto jouera en sommet national.
Anny Andrianaivonirina 
Sports 

5104midi-mg-005988-8078-03102008 Namaly ilay voatafika ary lasany ny basin'ilay jiolahy
Fitsarana
Namaly ilay voatafika ary lasany ny basin'ilay jiolahy
Omaly no niakatra fitsarana ny raharaha fanendahana tao anaty fiara niseho teny amin'ny faritra Ambohidratrimo tamin'ny volana marsa 2007. Tamin'izay fotoana izay, nisy olona 6 nanambana basy ilay tovolahy ary nitsofoka tao anaty fiara. Ny roa nitonona ho zandary ary nanao fanamiana, ny roa hafa nitondra basy Tsy nanaiky mora foana anefa ity voatfika fa sahy ny nanohitra. Raikitra ny fifampitolomana. Tamin'izany, azony ny basy teny amin'ilay mpanendaka. Lasa nandositra tany amin'ny biraon'ny zandary izy.
Re omaly fa lasa nandeha tany Toamasina ireo jiolahy.rehefa natao ny fikarohana azy ireo dia tratra ihany ny iray antsoina hoe Langolahy na Rakotozafy. Izy no nanoro ireo namany hafa dia i Mahatolo Hammon Doris Esteban, Colonnet Richardson, Rakotondrazanany Rochard sy Ramanantsoa Olivier. Ireo namany roa kosa tsy hita.
Nivoaka ny didy : 20 taona asa an-terivozona sy 5 taona tsy mahazo mandia faritany ho an'ny telo lahy. Ireo namany hafa afaka noho ny fisalasalana.



5104midi-mg-005989-8079-03102008 Olona 12 naiditra am-ponja
HALA-JAZA
Olona 12 naiditra am-ponja
Taorian'ny fandalovan'ny raharaha teny amin'ny Fampanoavana tao amin'ny Tribonalin'Arivonimamo afak'omaly dia nanapa-kevitra ny mpitsara mpanao famotorana fa haiditra am-ponja vonjimaika ny olona 12 voarohirohy tamin'ny resaka fanimbana fananan'olona, izay mifandraika amin'ilay resaka hala-jaza tao Imerintsiatosika tamin'ny zoma 4 jolay lasa teo.
Na izany aza anefa talanjona ihany ny rehetra satria toa nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpivady voarohirohy tamin'ilay resaka hala-jaza izay tena antony nahatonga ny fandorana trano sy fiara. Ankoatra izay dia voalaza fa tsy nohenoina ihany koa ireo vavolombelona roa tena voakasik'ity raharaha ity, dia tsy iza fa ilay dokotera sy ilay  mécanicien .
Isan'ireo naiditra am-ponja vonjimaika ny raiamandrenin'ilay zaza telo taona isan'ireo voalaza fa notazonin'izy mivady tao an-tranony. Amin'ny 7 oktobra izao, raha tsy misy fiovana no hanaovana ny fotam-pitsarana ity raharaha ity.
Manahy ny mponina any an-toerana sao efa nisy fifanaraha vita mialoha teo amin'ireo voarohirohy sy ny mpitandro filaminana ary ny Fitsarana. Marihina fa efa tamin'ny 11 ora sy sasany alina vao vita ny famotorana tao amin'ny Fampanoavana.



5105midi-mg-005991-8080-03102008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Nosy be. Faty nantsingevan'ny ranomasina. Ny 01 oktobra 2008 tamin'ny 11 ora antoandro tao amin'ny fari-dranomasin'i Nosy Be no nahitan'ny chef  fokontany Ambondrona Crosy be fatin'olona mitsingevana teny ambony ranomasina. Mpiasan-tsambo (mécanicien) izy io 34 taona. Rehefa nozahan'ny dokotera dia hita fa mandeha rà ny masony ary misy loaka ny lohany. Mbola hita teny @ny ny findainy miampy ny vola 280000 Ariary.
 - Villas présidentielles. Mpiasa nangalatra tsofa. Ny 01 oktobra 2008, teny Antanetibe-Antehiroka, ao amin'ny toeram-panamboarana ireo villas présidentielles, tokony ho tamin'ny 07ora sy sasany hariva, dia tratran'ireo sinoa tomponandraikitry ny fanamboarana ireo villas présidentielles nanagalatra tsofa elektrika (scie éléctrique) ny mpiasa iray 23taona. Haverina amin'ny orinasa kosa ilay tsofa aorian'ny famotorana rehetra.
 - Anosy. Fiara maromaro nifandona. Omaly tokony tamin'ny 4 ora , teo Anosy. Fiara Mazda kely no nifandona tamina taxi-be 3 be izao. Potika tanteraka ilay fiara ary nisy fahapotehana toy izay ihany koa ilay taxi-be iray izay tena nifandona mafy taminy. Maro ny olona tao anatin'ilay taxi-be voalohany no naratra mafy.



5105midi-mg-005992-8081-03102008 Nanjavona tany anaty fasana ilay mpangalatra manana ody
ASAN-JIOLAHY. Ny mpangalatra sasany, tsy mandeha amin'izao manao ny asany fa mitondra zavatra any am-balahany any.
Nanjavona tany anaty fasana ilay mpangalatra manana ody
Tena manana fahaizana manokana ity mpangalatra iray ity. Voadaroka nefa tsy nahitana rà, nofatorana saingy nivaha ho azy ny tady, nandositra tanaty fasana dia najavona.
Tamin'ny alarobia alina lasa teo, tonga hangalatra tao amina tokantrano iray tao Sambava ity jiolahy ity. Efa saika tafiditra tao an-trano izy no ren'ny tompon-trano. Notairiny ihany koa ny manodidina. Nenjehina ilay mpangalatra ary azo soa aman-tsara. Avy hatrany dia nofatoran'ny olona tamin'ny tady.
Nony maraina ny andro dia nofotoran'ny mponina izy nefa tsy nety niteny. Nandeha ny daroka isan-karazany fa tsy nampihontsana azy. Ny tena nahagaga ny olona, tsy nisy rà nivoaka mihitsy taminy. Nentina tany amin'ny biraon'ny zandary izy avy eo. Teo indray no nipoitra ny fahagagana faharoa. Rehefa teo am-baravarana, nivaha ho azy ny tady namatorana azy.
Raha vao afaka ny tady, rifatra nandositra ilay mpangalatra. Niditra tany amin'ny elakelam-pasana eo an-tampon-tanànan'i Sambava. Tsy niandry ireo nanenjika azy fa tonga dia nodidinina ny toerana. Natao amin'izay ny fisavana. Tsy hita anefa izay nomban'ilay jiolahy na dia notsikilovina daholo aza ny elakelam-pasana rehetra. Nisy ny nihevitra fa ankeviny nitsofoka any anatiny any mihitsy ilay izy.
Maro dia maro ny olona na ny mpangalatra mitana ody mahery. Hita izany rehefa mahatratra jiolahy ny mpitandro filaminana. Aseho ho hitan'ny rehetra miaraka amin'izy ireny ny ofy ampiasainy. Taona maro izay, nampihaiky ny teto an-drenivohitra ny mpangarom-paosy iray. Tratra izy ary dorohan'ny olona amin'ireny lohana elobe eny an-tsena ireny. Tsy misy rà mandeha mihitsy anefa fa mivontovonto kely fotsiny ny tenany.

Lire aussi - Hala-jaza : Olona 12 naiditra am-ponja - Tapatapany 


5120midi-mg-006008-8102-04102008 Maty voatsatony antsy ny namany
SANGY RATSY FIAFARA. Resaka tsaho no nahatonga ny adin'izy roalahy ary izao niafara tamin'ny fahafatesana.
Maty voatsatony antsy ny namany
Vonoan'olona niseho tany Befandriana Avaratra tampon-tanàna ny 29 septambra lasa teo tokony ho tamin'ny roa ora tolak'andro. Sangisangina mpinamana no niafara tamin'ny tsatok'antsy ary nitarika fahafatesan'ny iray. Mpinamana ihany izy roalahy nifamono ireto. Nosangisangian'I Mamy I Jajery fa hoe voasambotry ny polisy hono. Tezitra noho izany ity farany ka tsy nahatsindry fo ary nandray antsy ka notsatohany teo amin'ny ambava-fony I Mamy. Naratra mafy vokatr'izany izy ka ny olona teo amin'ny manodidina no nitondra azy teny amin'ny hopitaly. Indrisy anefa fa teny an-dalana dia tapitra ny ainy. I jajery kosa, ilay nahafaty ny namany avy dia nandeha nitolo-tena tany amin'ny kaomisarian'ny polisy. Tezitra noho izany ny havan'ny maty ka nirohotra nankany amin'ny biraon'ny polisy saika hidaroka an'I Jajery. Nandray ny andraikiny avy hatrany manoloana izany ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ny famotorana.
Tsara ho fantatra fa mpitarika kalesy eo an-tanàna ihany izy roalahy ireto ary efa matetika no mifampisangisangy ratsy toy izao.
Faty mihoson-drà
Vaovao tamin'iny faritr'I Marovoay, ary mbola resaka vonoan'olona ihany.ny marainan'y 30 saptambra lasa teo, tao amin'ny fokotany Andrombandromba. Nisy fatin-dahilay hitan'ny mpianatra tao anaty tatatra. Mivonto ny fihirifany havia ary movoaka rà ny orony. Araka ny fizahana nataon'ny dokotera sy ny zandary dia mety ho nisy namono io lehilahy io. Olona monina eny amin'ny faritra manodidina eny ihany izy io. Efa misokatra ny famotorana mikasika ity raharaha ity ka ny zandary ao amin'ny borigadin'I Marovoay no misahana izany.

Lire aussi -  Bad Boy  : Devant la barre le 16 octobre - Lozam-pifamoivoizana : Iray maty, roa naratra mafy 


5120midi-mg-006009-8103-04102008 Notrobariny antsy ny tendany, maty teo no ho eo
Notrobariny antsy ny tendany, maty teo no ho eo
Famonoan-tena roa sosona no niseho tany amin'ny faritra SAVA, tamin'ny voalohan'ny volana oktobra teo. Ny iray dia lehilahy no nahavita nanafohy ny androny. Ny faharoa kosa vehivavy. Samy maty avokoa izy ireo.
Efa tena leon'ny fihainana tokoa angamba ny lehilahy iray, tamin'io andro io. Nananan'olona trosa izy ary dia tsy tantiny tokoa ny tsy nahefa izany. Nilaza tamin'ny vadiny izy fa hamono tena. Noraisiny ny antsy. Hitan-dramatoa izany ka nanao izay ho afany ity farany ity nanakanana azy nefa tsy nahavita. Avy hatrany dia notrobaran'ilay lehilahy tamin'io antsy maranitra io ny tendany ary maty izy nony afaka fotoana fohy. Tany amin'ny tananan'Antsorabe Sambava no niseho ity zavatra ity. Mpandrafitra no asan-drangahy. Manan-janaka dimy izy.
Fofona maimbo
Fa tamin'ny voalohan'ny volana oktobra ihany, tany Antaimby, any Sambava ihany, no niseho ny famonoan-tena faharoa. Tsy fantatra ny olana teo amin'ity vehivavy iray, fa niala maraina tao an-tranony izy. Rehefa niverina tao an-trano anefa izy dia nitaraina tamin'ny vadiny ary nilaza fa tena reraka be mihitsy, ary nitaraina ho narary kibo. Nampatoriana teo am-pandriana. Nahatsikaritra anefa ilay rangahy fa niova niandalana ny fahasalaman'ny vadiny. Nentina haingana tany amin'ny dokotera. Raha vao tonga tany anefa dia maty.
Rehefa nandinika ny razana ilay mpitsabo dia toa nahita zavatra hafahafa. Nokitihina ny kibony ka nandoa zavatra maimbo be avy hatrany ilay vehivavy. Avy tamin'izany no nilazan'ilay mpitsabo fa nihinana poizina ity olona ity ary io no nitarika ny fahafatesany.
Remi R. 


5121midi-mg-006011-8105-08102008 Iray maty, roa naratra mafy
Lozam-pifamoivoizana
Iray maty, roa naratra mafy
Omaly vao maraina be, mbola tsy tena mazava tsara ny andro, latsaka tany ambany tetezana ny kamiao iray.Vokatr'izany dia maty ny aide saofera iray, naratra mafy kosa ny mpamily sy ny aide faharoa. Mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly izy roa ireo amin'izao fotoana izao.
Teny amin'ny tetezan'i Sahalombo amin'iny lalam-pirenena faha-34  mihazo an'iBetafo iny no niseho ity loza ity. Niditra teo amin'ny tetezana ilay kamiao. Efa tafatsofoka anefa izy vao nahatazana fa misy sarety tsy nisy jiro teo ambony tetezana teo. Asa na noho ny fahatairana na ahoana fa niezaka ny niala Ingahy mpamily ary izany no nampivarina azy tany amin'ny tsy tokony halehany.
Lova 


5156midi-mg-006047-8139-06102008 Tovolahy maty nananton-tena
Mahitsy
Tovolahy maty nananton-tena
Ny rainy no nahita ny faty nihantona tao anaty garazy fametrahan'entana. Famonoan-tena niseho teny Ampanotokana Mahitsy ny tolakandron'ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 4 ora. Tovolahy iray, 22 taona no maty namono-tena teny amin'iny faritra iny. Nofatorany tamin'ny tady ny tendany ary nahatony tamin'ny tsivalan-kazo tao amin'ilay trano. Hatramin'izao dia tsy fantatra mihitsy ny antony namonoan'ity tovolahy ity tena. Araka ny nambaran'ny rainy dia tsy dia manana olana loatra izay na eo amin'ny lafiny arak'asa na eo anivon'ny fianakaviany, ary indrindra indrindra ny lafiny ara-pitiavana.
Mpiasa mpanampy eny amin'ny abattoir eny Mahitsy no asan'ity tovolahy namono tena ity. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny dokotera. Na izany na tsy izany misy ihany ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana mifandraika amin'izao raharaha izao. Sao mantsy mety ho nisy namono izy fa notakonana tamin'ny endrika famonoan-tena. Izy rahateo olona tsy dia nanana olana ka mampanontany tena ihany hoe inona ny antony namonoany tena. Hatramin'izao enfa tsy mbola nisy ny olona nosamborina, fa ny fianakaviany ihany no efa nalaina am-bavany.



5157midi-mg-006049-8140-06102008 Trano kontenera nipoaka
Antsiranana
Trano kontenera nipoaka
Tao amin'ny fokontany Scama no nitrangan'ity hai-trano ity omaly tamin'ny 9ora maraina. Tsy nisy zavatra azo noraisina tao anatin'ilay trano na iray aza. Nisy  conteneur  hiany koa teo anilany misy fitaovana maro fiasany dia nirehitra hiany koa. Teratany frantsay no tompon'ity trano may ity atao hoe :George. Arakany nambaran'ny dia mbola kely ny afo dia efa tonga teny an-toerana izy ireo hamono ny azy saingy tsy navelan'ity rangahy frantsay ity niditra ny vahoaka. Araka ny nambaran'ny lehiben'ny fokontany Scama Bekamisy Albert dia dia miaramila frantsay efa misotro ronono ary mpanamboatra  arme  no asan'io rangahy io. Nampametra-panontaniana ny maro ny zavatra ny tsy famelana ny olona hiditra tao. Tamin'ny fotoana nahamay ireo  kontenera ireo dia maro ireo zavatra tsy fantatra nipoka tao anatiny ary nanimba ny tafon'ny tranon'olona hafa  teo ankaikiny. Tsy nanaiky ny fonkontany ary niditra ankeriny tao amin'ilay toerana, namono ny afo, saingy efa tara.
VJCL 


5157midi-mg-006050-8142-06102008 Faty nodorana tanaty fanariam-pako
FARAVOHITRA. Nihoron-koditra izay rehetra nahita. May tanteraka ny vatan'ilay tovolahy.
Faty nodorana tanaty fanariam-pako
Nahita olona nitaritarika gony izay, natsipiny tao anaty fanariam-pako ary avy eo nodorany. Tsy nisy nahalala anefa hoe hay fatin'olona no tao raha tsy efa maty ny afo ka nanomboka nikarokaroka tao izahay, araka ny fitantaran'ireo mpikaroka fako mipetraka eo akaikin'ilay fanariam-pako tetsy Faravohitra. Nahitana fatin'olona tokoa mantsy tao anaty fanariam-pako tetsy Faravohitra ambanin'ny Fiangonana Katolika, ampitan'ny mpivarotra mofogasy. Tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany maraina teo no nahitan'ny mpikaroka fakoa azy. Tovolahy manodidina ny 30 taona eo ilay izy. Mirefy 1,70m, zarazara fihodirana somary mahiahia. Tsy nahitana taratasy momba azy teny aminy ary tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny amin'ny manodidina. Efa tonga teny an-toerana ny BMH sy ny polisy nijery akaiky ny toe-draharaha, ary nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana hatao fizahana ifotony sy miandry ny fianakaviany.
Novonoina. Raha ny fijery azy ety ivelany dia efa maty novonoina tany ambadika tany ilay tovolahy vao nariana tao ny fatiny. Nihevitra angamba ireo nanary ny razana fa avy dia hobatain'ny kamiaon'ny Fivondronana ilay vata vy fanariam-pako ka tsy hisy hahatsikaritra ny fisian'ilay razana. May tanteraka ny tapany ambanin'ilay tovolahy. Mbola misy amantarana azy kely ihany anefa ny endriny.
Efa misokatra ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao.

Lire aussi - Antsiranana : Trano kontenera nipoaka - Tapatapany 


5162midi-mg-006058-8151-07102008 Le pays progresse
Le pays progresse
Vision (07/10/08) 

5167midi-mg-006064-8157-07102008 Nohamafisin'ny Fitsarana ny didy
Ady tany
Nohamafisin'ny Fitsarana ny didy
Voaheloka ho faty. Mbola nohamafisin'ny Fitsarana omaly ny didy mikasika ilay olona nangataka fandravana didy, voarohirohy tamin'ilay ady tany niseho tany Miarinarivo Itasy tamin'ny taona 2006. Efa notsaraina tamin'ny 14 novambra 2007 ity raharaha ity, ka olona 21 no indray niatrika ny Fitsarana. Ny 11 tamin'ireo voaheloka ho faty, nisy ny voasazy an-terivozona ary nisy ny afaka noho ny fisalasalana. Nisy anefa ny tsy afa-po ka izao nangataka fandravana didy izao, nefa mbola nohamafisin'ny Fitsarana indray. Ankoatra an'io sazy io, dia mbola misy ny onitra 150.000 Ar aloan'ny voampanga amin'olona dimy samy hafa. Raha tsahivina dia niteraka fifandonana nahafatesana mpitandro filaminana roa ity ady tany tany Miarinarivo ity.
Aina R.
 


5167midi-mg-006065-8158-07102008 Nanohitra zandary ny mpangalatra
Moramanga
Nanohitra zandary ny mpangalatra
Raikitra ny gidragidra teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo mpangalatra solika tany Moramanga ny 4 oktobra lasa teo. Tonga tao Ambohimanarivo, Ambohibary-Moramanga ny zandary tamin'io andro io hisambotra azy ireo. Rehefa nanontaniana anefa ireo olona ahiahiana dia nanivaiva sy namotsifotsy ireo mpitandro filaminana ary niafara tamin'ny fampiasana hery izany. Nahery vaika ny fanoheran'ny mponina ka voatery niverin-dalana ireo zandary ary niantso namana tany Moramanga hanampy azy ireo. Natao savahao ny tanàna sy ny trano fonenana tsirairay ka nisy ny solika 1095 litatra tratra, miampy bidons 83.
Saika solika fampiasan'ny orinasa mitrandraka harena an-kibon'ny tany sy ny fiara mpitatitra solika any an-toerana ireto nisy nanodinkodina tany Moramanga ireto. Efa im-betsaka moa ny mpitandro filaminana no nahatratra mpangalatra solika toy izao.
Aina R.
 


5167midi-mg-006066-8159-07102008 Maty voadaroka, saika halevina an-tsokosoko
Vonoan'olona
Maty voadaroka, saika halevina an-tsokosoko
Tamin'ny famongarana ny razana no nahalalana fa noho ny vono sy ratra nahazo azy no nahafaty ity vehivavy iray. Saika halevina an-tsokosoko tamin'ny sabotsy faha-4 oktobra teo teny Fidasiana Ambohidratrimo ny razana. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana avy any amin'ny dokotera anefa tany amin'ireo fianakaviana. Tamin'ny fotoam-pandevenana dia notakian'ny sefom-pokontany ny taratasy mikasika ny nahafaty ilay vehivavy. Tsy afaka nanome izany anefa ry zareo. Avy hatrany dia norarana ny fandevenana.
Naka fepetra ilay lehiben'ny fokontany ka niantso zandary sy dokotera. Nofongarina ny razana ary natao ny fizahana. Teo no nahafantarana fa vokatry ny vono sy ratra nanjo azy no nahafaty ilay vehivavy. Notazonina vonjimaika ao amin'ny Borigadin'Ambohidratrimo ny vadin'ny maty. Misokatra ny famotorana.
r.s.
 


5168midi-mg-006068-8160-07102008 Avy nandray karama dia maty nisy namono
ISORAKA. Vao maraina be no nisy nahita ny fatiny. Tsy teny intsony ny vola sy ny finday. Tsy mbola nalain'ny havany ny razana hatramin'izao.
Avy nandray karama dia maty nisy namono
Fatin'olona mitsirara no hitan'ny olona teny Isoraka ny marainan'ny alarobia lasa teo. Tetsy amin'ny lalan-kely mihazo ny sekoly Saint Vincent de Paul, anelanelan'ny fiangonana Isotry Fitiavana sy ny Fasan-dRainiaro. Olona sendra nandalo no nahita ilay faty, tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany maraina. Fatina tovolahy izy io, manodidina ny 24 taona eo ho eo. Tsy teny aminy intsony ny findainy sy ny vola. Mbola hita tany am-paosiny kosa anefa ny kara-panondrony. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny polisy ny olona teny an-toerana. Natao ny fizahana ifotony ny razana ary nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA avy eo. Hatramin'izao anefa tsy mbola nisy naka. Asa na tsy mahafantatra ny fianakaviany, na tsy manan-kavana eto an-drenivohitra mihitsy ilay tovolahy.
Raha ny fijery azy dia maty nisy namono ity tovolahy ity, ary nendahina izay zavatra sarobidy teny aminy. Tsy nahitana ratra firy anefa ny tenany fa toa tao amin'ny hatony no novelezina mafy, ary manodidina ny toerana nahitana ny razana ihany no namonoana azy. Efa manao ny famotorana mikasika ity vonoan'olona ity ny polisy amin'izao fotoana izao. Miangavy izay very havana ny tomponandraikitra ao amin'ny mpitandro filaminana mba handalo eny amin'ny tranom-paty na eny amin'ny biraon'ny polisy.
Faty marobe. Tato ho ato dia saika nahitana faty mitsirara eran'ny arabe eto an-drenivohitra. Raha tsy hilaza hafa tsy ny an'ilay lehilahy nisy nandoro tao anaty fanariam-pako tetsy Faravohitra ny marainan'ny alahady teo. Toy izany koa ny an'ilay vehivavy vao avy nandray vola teny Talatamaty. Manaporofo ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika izany ka tokony hitandreman'ny tsirairay.
Aina R.
 
 


5218midi-mg-006120-8213-08102008 Teratany alemanina ilay nisy namono  Olona 12 naratra  Fatim-behivavy tapa-doha  Zazalahy maty an-drano  Sambo nanjono an-tsokosoko
Faty hita
Teratany alemanina ilay nisy namono
Fantatra amin'izao fotoana izao fa teratany alemanina ilay olona hita faty ary nodorana tany anaty fanariam-pako, teny Faravohitra, tamin'ny faran'ny herinandro. Niasa tao amin'ny Acces banque izy. Manambady teratany italiana ity olona hita faty ity. Miasa amin'ny sampandraharahan'ny firenena mikambanaizy io. Tsy eto an-toerana izy amin'izao fotoana izao. Ny masoivoho alemanina no hikarakara ity olona nisy namono ity. Marihina fa mbola teny amin'ny tranom-paty Ampefiloha ny razana omaly.
Ivato
Olona 12 naratra
Nisy lozam-pifamoivoizana nitranga, omaly tokony ho tany amin'ny 11 ora tany, teny Ivato manandrify indrindra ny sekolin'ny polisim-pirenena. Taxi-be ho any Ivato no nifandona tamin'ny taxi-be iray hafa, ka nivarina tany anaty tatatra. Olona 12 no indray naratra. Ny 10 tamin'izy ireo nalefa notsaboina teny amin'ny hopitaly Ambohibao, ny roa nalefa teny amin'ny HJRA
Nosy Be
Fatim-behivavy tapa-doha
Vehivavy iray, teraka ny 1932, no hitan'ny fokonolona maty notapahin-doha ny 06 oktobra 2008 tamin'ny 11ora antoandro, tao Ambahofaho FKT Antratrabevoa, kaominina Nosy Be. Avy hatrany dia nampandrenesina ny zandary ao amin'ny brigade Fascène. Mandeha amin'izao fotoana izao ny fikarohana izay nahavanona ny loza
Ambatolampy
Zazalahy maty an-drano
Ny 04 oktobra 2008 tamin'ny 02ora tolakandro tao amin'ny station forestier Ambatofotsy, FKT Ambatolampy Ambany, tovolahy iray 12 taona no nilomano tamin'ny dobo volaza etsy ambony ka niteraka ny fahafatesany. Ny dokotera ao Ambatolampy ny misahana ny fizahana ary mitohy ny famotorana ataon'ny zandary ao an-toerana.
Toliara
Sambo nanjono an-tsokosoko
Omaly no tratra tany Toliara ny sambo espaniolina iray, tonga nanjono an-tsokosoko taty amin'ny farin-dranomasin'i Madagasikara. Efa hatrany amin'ny Cap Sainte Marie no nenjehin'ny mpiandry morotsiraka ity sambo ity, fa tany Toliara vao tsy afaka nandositra intsony. Tazonina ao amin'ny seranatsambo any an-toerana izy io izao.
Nangonin'i r.s. 


5218midi-mg-006121-8214-08102008 Olona efatra no voasambotra
Vonoan'olona tao Antsirabe
Olona efatra no voasambotra
Araka ny efa notaterina teto amin'ny gazety dia nisy ny vonoan'olona roa nisesy tao anatin'ny indray alina monja teny amin'ny piste Vatofotsy sy teny Mahazoarivo Avaratra  Antsirabe, ny asabotsy 28 septambra lasa teo.Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny polisim-pirenena dia nisy olona efa-dahy  nosamborina izay nahiana ho nahavanona ny loza  teo  Mahazoarivo avaratra.Rehefa natolotra ny fampanoavana izy ireo dia notanana am-ponja vonjimaika ny roalahy ary nahazo fahafahana vonjimaika ny roa sisa.Mbola mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon'ny polisy momba ilay teny Vatofotsy,ary miandry ny fotoam-pitsarana ireo efa voasambotra.Nanamarika ny avy ao amin'ny polisy Antsirabe fa  tsy tokony hampikorontana ny saim-bahoaka ny toy ireny  satria tranga mpiseho amin'ny tanàn-dehibe,na izany aza anefa dia manamafy ny fisafoana matetika na antoandro na alina ireo toerana izay heverina fa mafampana.
LOVA 


5219midi-mg-006123-8217-08102008 In-droa maty tao anatin'ny 6 andro maty fanintelony, tsy nifoha intsony
Andapa. Maty dia velona, maty dia velona ilay vehivavy. Misy ny nilaza fa nisy zavatra hafahafa mikasika izany
In-droa maty tao anatin'ny 6 andro maty fanintelony, tsy nifoha intsony
In-droa no nilazan'ny dokotera fa efa maty io olona io. In-droa koa anefa no nifoha ilay vehivavy. Samy gaga ny rehetra tao an-tanana. Tamin'ny fahafatesana fahatelo, nandrasana ela dia ela ary tamin'izay vao tena maty tanteraka izy ary nalevina.
Tany amin'ny Tanana atao hoe Ambalanaomby any amin'ny faritra Andapa no nonina ity vehivavy iray antsoina hoe Zara Line, 38 taona. Niala io tananany io izy tamin'ny faha-2 septambra, nandeha namangy ny reniny tsy salama tany Andapa. Maty anefa ilay ramatoa reniny. Niverina namonjy ny tranony tany Ambalanaomby ilay vehivavy. Ny faha-10 septambra tamin'ny 8 ora alina, nihinjitra ho azy teo izy. Nalaina ny dokotera nandinika azy. Rehefa avy nijery azy io dia nilaza mazava fa maty io olona io. Natao ny fikarakaraka ny razana ary niomana ny handevina ny havany. Ny faha-12 septambra anefa, nihetsika ilay ramatoa ary dia niarina avy eo amin'ny toerana nasiana azy.
Nandeha ny andro sy ny alina. Ny faha-22 septambra, nihetsika indray ilay aretina mpahazo azy ary dia safotra indray ny anao vavy. Efa nihenjana be ny tanany sy ny tongony. Nalaina indray ny dokotera. Nilaza ity farany ity fa fahagagana raha mbola velona mifoha indray ity olona ity. Dia fahagagana faharoa indray no niseho, taitra ilay vehivavy. Niverina ny ainy ary nandeha niasa ohatra ny fanaony andavan'andro.
Fanintelony vao tena maty
Tamin'ny faha-29 septambra, fantatr'ilay vehivavy fa mitady hiverina indray ny aretina nahazo azy. Nilaza tamin'ny havany izy fa raha sanatria miverina tokoa izany dia misy fomba iray tokony hatao. Nasainy nanendy katsaka ny olona ka raha safotra izy dia asiana ireo katsaka ireo ny tanany roa sy ao ambany ondany. Io andro io, niverina tokoa ny fahatoranan'ilay ramatoa. Natao io zavatra nafarany io. Dia niandry teo ny rehetra. Nandeha ny andro volaohany, ny faha-30 septambra, ny voalohan'ny volana oktobra ka hatramin'ny faha-4 oktobra. Tsy nihetsika intsony ilay olona. Nijery ny dokotera, efa kivikivy ihany nefa dia mbola nilaza fa maty izy io. Nokarakaraina tamin'izay ny razana ary dia natao ny fandevenana azy io faha-4 oktobra io.
Tranga tena mahavariana tokoa izany. Tamin'ireo filazana in-droa fa maty izy, ankevitry ny mbola torana naharitra fotsiny ka izay no naha-voafitaka an'ilay dokotera. Mandeha koa anefa ny resaky ny olona izay samy manana ny fahitana izao zavatra izao.

Lire aussi - Vonoan'olona tao Antsirabe : Olona efatra no voasambotra - Rage : Ihosy sous la menace ! - Police Nationale : L'avis de concours lancé 


5248midi-mg-006154-8247-09102008 Tsy ampy taona nahatratrarana rongony
Fianarantsoa
Tsy ampy taona nahatratrarana rongony
Omaly maraina tokony ho tamin'ny 8 ora, nosakanan'ny mpitandro filaminana teny Ampopoka Fianarantsoa ny fiara mpitatitra iray ho aty Antananarivo. Tamin'ny fisavana natao no nahitana valizy iray nitondrana rongony milanja 30 kilao. Fantatra fa ana tovolahy iray tsy ampy taona ity valizy ity. Rehefa nofotorana izy dia nilaza hoe: an'i sefo io. Tsy fantatra hoe sefon'izy na sefon'inona. Fantatra fa avy any Toliara ireo rongony ireo no nokasaina ho entina aty an-drenivohitra. Mahazo laka ny fifohana ity zava-mahadomelina ity. Amin'izao fotoana izao, ny tanora no tena mandray azy. Efa nandefa fanairana ny tomponandraikitra sy ny mpanabe isan-tsokajiny ny amin'ny hitadiavana vahaolana hamongorana ny fihanaky ny rongony, indrindra eny amin'ny manodidina ny sekoly.
Notanana ilay tovolahy sy ireo rongony ireo. Tsy navela nandeha ihany koa ilay taxi-brousse ary voatery nafindra fiara hafa ireo mpandeha tao aminy.



5248midi-mg-006155-8248-09102008 Lakana nifandona tamin'ny  baleine  olona 1 maty, 4 naratra mafy  Biby hafahafa mandripaka akoho  Taxi-be nisy naka teo amoron-dalana
Nosy-be
Lakana nifandona tamin'ny  baleine  olona 1 maty, 4 naratra mafy
Omaly tamin'ny 4 ora sy sasany hariva, nitondra olona teny Ankify Nosy-be ny lakana iray nitondra olona 13. Rehefa teny afovoan-drano teny anefa dia nifandona tamin'ny trozona io lakana io ka nivarina. Vokatr'izany dia olona iray no maty teo noho eo, ary efatra hafa naratra mafy. Ireo mpandeha ambiny kosa avotra soa aman-tsara.
Araka ny vaovao nampitain'ny PDS-n'i Nosi-be, dia tsy miala amin'io toerana io ity baleine ity ary rehefa tezitra izy no mandona izay lakana mandalo eo. Marihina fa lakana maro no efa nalentiny teo amin'io rano io. Ny antony mahatezitra ity biby ity no tsy fantatra.
Sambava
Biby hafahafa mandripaka akoho
Mahatratra akoho 58 no fantatra fa lanin'izany biby goavana izany. Biby miendrika fosa, hoy ny mponina any amin'ny fokontany Ambodiampana any Sambava. Tamin'ny alin'ny alatsinainy teo no niseho ity zavatra mampihorohoro ny mponina ity. Tamin'io alina io ihany mantsy no nihinanan'ilay biby ireo akoho marobe ireo. Izay tsy nohaniny dia novonoiny ary navelany teny. Mpiompy akoho iray monina any anaty ala no tompon'ireo akoho ireo.
Amin'izao fotoana izao, matahotra mafy tokoa ny olona any an-toerana. Tsy misy sahy mivoaka alina intsony. Tsy misy sahy mandeha any anaty ala ihany koa. Mandeha ny resaka eran'ny tanàna mikasika io fosabe io.
Halahatra fiara
Taxi-be nisy naka teo amoron-dalana
Fiara taxi-be iray miasa amin'ny zotra 152 mitondra ny nomerao 9539 TAB no nisy nangalatra teo amoron-dalana tamin'ny alahady lasa teo. Napetraky ny tompony teny Anjanahary amin'iny lalana hidina ho any Ambatomainty iny tamin'ny 7 ora maraina. Fiara maromaro no nijanona teo. Tsy nahamarika na inona na inona mihitsy anefa ilay tompony raha tsy efa hariva ny andro. Izay ry zareo vao nifampanotany. Natao avy hatrany ny fikarohana nefa hatramin'izao tsy mbola hita ilay taxi-be.
Mitady hiverina indray izany ny halatra fiara hapetraka eny amoron-dalana eny. Ny mahagaga dia ny fahasahian'ireo olon-dratsy. Fantatr'izy ireny fa somary variana amin'ny zavatra hafa ny mpiambina amin'ny andro antoandro.
Jean-Claude D.L. - Mamy Augustin - r.s. 


5248midi-mg-006156-8249-09102008 Maro ny vehivavy efa zakany
ODY MAHERY. Monina any anaty ala ilay lehilahy ary tsy mbola hita hatramin'izao. Niakatra Fitsarana ny raharaha. Anio no hivoaka ny didy.
Maro ny vehivavy efa zakany
Kasihan'ilay lehilahy mpilalao ody fotsiny ny tanan'izay vehivavy tiany dia manaraka azy. Zava-misy any amin'ny faritr'i Fenerive Atsinanana iny ity, ao amin'ny fokontanin'i Mahanoro. Lehilahy iray mpilalao ody any an-toerana no mampiasa io fomba io hakany vehivavy. Efa maro no tratrany ary tato anatin'ny andro vitsivitsy izay dia tovovavy telo no lasany tany ka mbola tsy ampy taona ny iray. Tsy mipetraka ao an-tampon-tanàna anefa io lehilahy io fa any anaty ala mikitroka any ka tsy misy mahita izay fiereny. Tamin'ireo vehivavy telo lasany farany dia nisy iray tafaverina tany amin'ny raiamandreniny ka nitantara ny nanjo azy. Nilaza ilay vehivavy fa nokasihin'ilay lehilahy io ny fela-tanany ary toa verivery saina izany izy ka nanaraka mora foana azy tany anaty ala tany. Rehefa tonga tany anaty ala, toeram-ponenan'ilay mpilalao ody, ankoatra ny fanaovana firaisana ara-nofo dia nasainy mitanika ravin-kazo ataony rano fisotro isa-maraina. Isan'ny mahasarotiny ity mpilalao ody ity koa ny fitafy maloto ka asainy sasaina eny amoron-drano isan'andro ny akanjo.
Ela ny ela anefa, asa izay zava-nitranga tany fa tafaverina soa aman-tsara teo anivon'ny raiamandreniny ilay zazavavy 17 taona. Nametraka fitoriana teny anivon'ny mpitandro filaminana ry zareo ka ny 2 oktobra teo no niakatra teny anivon'ny Fitsarana ny raharaha ary anio no hivoaka ny didim-pitsarana. Tsy mbola hita ilay rangahy mpilalao ody hatramin'izao ka inoana fa ho didy fampisamborana azy no havoakan'ny Fitsarana eo ankoatra ny sazy hafa. Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, fitazonana olona an-keriny no isan'ny anenjehana azy amin'ity raharaha ity.
A.R. 
Lire aussi - Nosy-be : Lakana nifandona tamin'ny  baleine  olona 1 maty, 4 naratra mafy - Mahanoro : 10 tonnes de riz détruites par le feu 


5248midi-mg-006157-825-11012008 Passation à la tête de la Région
Passation à la tête de la Région
Après l'investiture des maires d'Analamanga dans la matinée d'hier, le nouveau chef   de Région Fidy Ratsimbazafy a procédé l'après-midi, à la passation de service avec son prédécesseur à Nanisana. 1 milliard ariary reste au compte de dépôt de la Région et 10 millions Ariary au compte de la BFV SG. C'est ce qu'a révélé l'ancien chef de Région Manganirina Pierre Randrianarisoa, en marge de la cérémonie. Tout en insistant sur la continuité des réalisations, il a aussi annoncé l'arrivée prochaine de préfabriqués destinés à la construction de logements sociaux, d'écoles et de poste avancé de gendarmerie d'Ampangabe. Pour sa part, le nouveau nommé a souhaité plein succès à l'ancien chef de Région pour les futures responsabilités auxquelles il sera appelé.
Politique 

5248midi-mg-006158-8251-10102008 NULL
 
Nécrologie (10/10/08) 

5259midi-mg-006170-8262-10102008 Vonoan'olona  : mpivady voarohirohy
Ambohidratrimo
Vonoan'olona  : mpivady voarohirohy
Olona mivady no notazonin'ny zandary ao ambohidratrimo. Voarohirohy tamin'ny famonoana ramatoa iray 50 taona. Tratra teny amin'ny faritr'Ambohidratrimo izy ireo. Tamin'ny fisavana nataon'ny zandary nanao fisafoana, rehefa nanontaniana karapanondro ireto olona ireto dia nilaza fa tsy manana izany. Tamin'ny faha-6 oktobra tamin'ny 10 ora alina izy ireo no hita nandeha tsy nitondra karatra.
Avy hatrany dia nentina tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana ireto mpivady ireto. Rehefa nandeha teo ny famotorana dia nahiana ho izy ireo no no anisan'ny namona nahafaty an'ilay vehivavy voalaza etsy ambony tamin'ny faha-6 jolay tany Faratsiho.
Notazonina ao Ambohidratrimo izy ireo, miandry ny zandarin'ny brigadin'i Faratsiho.
r.s.
 


5259midi-mg-006171-8263-10102008 Nodorany an-trano ny zanany roa, 3 taona sy 3 volana
Habibiana.
Nodorany an-trano ny zanany roa, 3 taona sy 3 volana
Rehefa tsy nety noroahany niala ny trano ny vadiny dia ireo zanany roa no nodorany velona. Tany amin'ny tanana atao hoe Ambodisaina,kaominina Ampanefena, any Vohemar, no niseho ity habibiana ity. Nivady efa fotoana elaela ireto olona ireto. Niteraka roa ry zareo ka ny farany vao telo volana monja. Niseho anefa ny disadisa tao an-tokantrano. Tapaka ny hevitr'ilay lehilahy ny handroaka ny vadiny. Tsy nety niala ny trano mihitsy anefa ramatoa. Teo ny ankizy ary eo koa ny fananana iombonana. Afaka andro maromaro, norahonan'ilay rangahy ilay vehivavy. Tsy naharitra ramatoa fa nampandre ny manodidina. Tsy nijanona teo ny raharaha, rehefa tsy niala ilay vadiny dia nilazany indray fa hodorany ireo ankizy ireo. Ny fokonolona teo an-tanana efa niandriandry. Sendra nivoaka ramatoa ary dia notanterahiny tokoa ny fandorana ireo ankizy tao an-trano. Trano falafa ilay izy ka vetivety foana dia nijoalajoala ny afo. Soa ihany fa teo ny mpiray tanana nanavotra ireo ankizy ka mba tsy naninona izy ireo.
Ny faha-6 oktobra no niseho izany zavatra izany. Nosamborin'ny fokonolona ilay lehilahy ary natolotra ny zandary.
Remi R.
 


5259midi-mg-006172-8264-10102008 Bala 4 niantefa teny amin'ilay Maorisiana nandositra jiolahy
Saika isan'andro ny fanafihana sy fandrobana miseho eto an-drenivohitra. Lasibatra indray ny vahiny miasa eto
Bala 4 niantefa teny amin'ilay Maorisiana nandositra jiolahy
 
Omaly hariva, raha nandeha nody teny Andranotapahana ny teratany maorisiana iray dia nosakanan'olona maromaro nitondra fiara 4 L teny Talata Maty. Afaka niala ny sakana anefa ity vahiny ity ka nanohy ny lalany. Tsy nisalasala ireo mpanakana fa avy hatrany dia nanao tifitra vary raraka. Vokany, bala miisa efatra no niantefa tamin'ny vatan'ny fiaran'ilay maorisiana. Tsy nisy nahavoa azy kosa anefa ireo bala ireo. Avy hatrany dia nivantana tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana ilay voatafika. Ireo nitifitra azy moa, raha vao tsy afaka nampijanona ny fiarany, dia lasa nandositra.
Tsy fantatra marina aloha, amin'izao fotoana izao, ny antony nanakany sy nitifiran-dry zalahy an'io olona io. Lehiben'ny zone franche iray eto an-drenivohitra izy, araka ny vaovao voaray. Asa na saika horobaina na dia nokasaina hovonoina mihitsy. Omaly ihany dia efa nohamafisina ny fiambenana an'ity olona ity, ka nandefasana mpitandro filaminana any aminy. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana hahalalana izay tena anton'izao zavatra izao.
 
Lasibatra ny vahiny. Tato anatin'ny telo andro nisesyizao dia teratany vahiny telo samy hafa no nisy nandroba. Ny voalohany teny Androndra, tamin'ny fiandohan'ny herinandro. Ny faharoa, araka ny vaovao nivoaka an-gazety, teny Ambohitrarahaba. Ny fatelo kosa dia io niseho omaly hariva io. Izany hoe, tsy mifidy mihitsy ny jiolahy sy mpandroba  fa izay fantany fa misy vola dia tongavany avokoa. Soa ihany, ho an'ireo voaroba ireo, fa tsy nisy ny herisetra. Ity teny Talata Maty ity no nampiasana basy. Fanontaniana mbola tsy nahazoana valiny koa hatramin'izao ny hoe : avy aiza tokoa ireny basy mahery vaika ampiasain'ny mpanendaka sy mpamaky trano ireny?
r.s.
 


5284midi-mg-006198-8290-11102008 La peine de mort n'est plus prononcée
La peine de mort n'est plus prononcée
Politique 

5299midi-mg-006214-8306-11102008 Maty kendan'ny taolan-trondro
Valifaty
Maty kendan'ny taolan-trondro
 
Na dia afaka aza ny taolan-trondro tao amin'ny tendan'ity lehilahy iray dia maty izy afaka telo andro. Manoloana izany dia novonoin'ny havany ilay olona nanome trondro ity rangahy ity.
Tamin'ny volana septambra teo, niala tany Anekedabe, handeha hividy lavanila io lehilahy io. Tonga tamin'ny tanàna iray atao hoe Ambohitsara any amin'ny faritra Andapa izy ary nivahiny tao amina olona iray. Tao indrindra izy no nihinana ilay trondro nahafaty azy. Kendan'ny taolana aloha izy tamin'izay. Natao ny fomba rehetra nanalana ilay taolana saingy tsy afaka mihitsy. Tapaka ny heviny fa hiverina hody any amin'ny tanàna nihaviany izy. Afaka ihany izany nony tonga tany. Ny faha-9 septambra izy no kenda. Telo andro taorian'io izy no maty.
Rehefa nahita izany ny fianakaviany dia lasa nandeha tany amin'ilay olona nandray ny havany. Asa raha nihevitra izy ireo fa nisy zavatra hafahafa tao ambadiky ny fahafatesan'ny havany. Nalainy ny lehilahy tompon-trano ary notereny hanaraka azy ireo. Rehefa teny an-dalana anefa, nodarohan-dry zareo tamin'ny hazo ny lohany, notrobariny tamin'ny hazo maranitra ihany koa ny lamosiny. Maty teo noho eo io olona io vokatr'izany.
Mamy Augustin
 


5299midi-mg-006215-8307-11102008 Maty noveleziny tamin'ny tapa-biriky ny vadiny taloha
Andapa. Tsy tantin'ilay lehilahy ny hizara ny fananana amin'ny vadiny taloha koa dia novonoiny ho faty io.
Maty noveleziny tamin'ny tapa-biriky ny vadiny taloha
 
Avy hatrany dia nasiany tamin'ny tapa-biriky teo amin'ny hatony ilay ramatoa. Lavo tamin'ny tany io farany io saingy mbola nasiany ihany. Nivoaka rà ny orona sy ny sofin'ilay vehivavy. Torana tsy nahatsiaro tena izy ary dia maty ny faha-4 ny volana oktobra teo. Ny faha-3 oktobra no niseho ny daroka.
Tany amin'ny tanàna atao hoe Ambodimanga any Andapa no niseho ity vonoan'olona ity. Nifanena teny an-dalana ireo mpivady efa vita fisarahana. Nilaza ramatoa fa azony tamin'ny volana mey 2008 ny didim-pitsarana ka tokony ho zaraina amin'izay ny fananana. Marihina fa nandresy ramatoa. Tezitra mafy tokoa rangahy rehefa hitany fa mitaky ny fananany ity vadiny taloha ity. Ary teo no nitsiry ilay hevi-dratsiny.
Rehefa matiny io ramatoa io dia nandositra niaraka tamin'ny vadiny ankehitriny izy. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha. Tamin'ny taona 2006 no efa nisaraka izy roa ary tamin'izany ihany koa no nampidirina tany amin'ny tribonaly ny fangataham-pisarahana.
Mamy Augustin
 


5299midi-mg-006216-8308-11102008 Vola 240 tapitrisa Ariary nisy naka tao anaty fiara
Vola 240 tapitrisa Ariary nisy naka tao anaty fiara
 
Novahan'i Koma ny varavaran'ilay fiara dia nalainy ny sakaosy nisy volabe mitentina 240 tapitrisa Ariary. Nanao fetibe izy mianakavy tany an-tranony avy eo. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha.
Tamin'ny faha-17 septambra 2007 no niseho ity halatra ity teny Antaninarenina. Mpivarotra tavoahangy plasika no asan'i Koma. Manana namana antsoina hoe David izy. Niasa tamina Karàna iray eto an-drenivohitra ity farany. Izany hoe mahalala tsara ny fahazaran'ny mpampiasa azy mitondra vola ary dia nomeny an'i Koma tokoa izany tamin'io andro io.
 
Anaty fiara.   Raha vao nandalo teny Antaninarenina ilay Karàna, dia novahan'i Koma ny varavarana, nalainy ilay sakaosy ary nandositra izy avy eo.
Ny faha-24 septambra, io taona io ihany, nisy fiara iray ihany koa novakian-dry zalahy ny fitaratra dia nalainy ny vola tao anatiny izay nahatratra 200 tapitrisa Ar. Nanao fety be nandritra ny efatra andro tao an-tanànany eny Anosibe izy ireo avy eo. Raha misy olona nanontany dia nilazany fa misy famorana ao, na misy famadihana na misy fampakaram-bady.
 
Folo taona an-terivozona. Mahina anefa ny mponina ka nampandre ny polisy ao amin'ny Boriborintany faha-5. Natao ny fanadihadiana ka fantatra tamin'izany fa i Koma no naka ny vola teny Antaninarenina sy teny Ivato. Voasambotra tamin'izany i Koma, ny vadiny, ny rainy, ny anabaviny roa kambana ary i David ilay nanome ny sopapa.
Niakatra fitsarana omaly ny raharaha. Voasazy 10 taona hanao asa an-terivozona i Koma, 3 taona sazy mihantona ho an'ny vadiny ary 5 taona asa an-terivozona ho an'i David. Nohafahana noho ny fisalasalana kosa ny rain'i Koma sy ireo anabaviny.
r.s.
 
 


5304midi-mg-006224-8318-13102008 Maty nofiaraina antsy avy ao aoriana
VONOAN'OLONA. Lasa tsy misy lanjany amin'ny olona sasany ny manala ain'olona mitovy amin'ny azy, indrindra fa raha voatohitohina ny fihinanany.
Maty nofiaraina antsy avy ao aoriana
 
Zava-doza no niseho tany amin'ny toerana iray anelanelan'ny tanana roa atao hoe Ambatoria sy Andengondroa, any Bealanana. Maty nofirain'olona tamin'ny antsy avy aoriana ny lehilahy iray. Voa teo amin'ny lohany, ny tanany roa ary ny feny. Rehefa avy eo natsipy tany anaty hantsana ny fatiny. Roa andro taty aoriana, ny fofona ratsy navoakan'ny razana no nahitan'ny zanany azy.
Nonina tany amin'ny tanana atao hoe Ambatoria ny lehilahy iray. Nanana tany mirefy hatrany amin'ny 13 Ha izy. Tsy vitany anefa ny namboly izany koa dia nampanofainy tmin'olon-kafa nanomboka tamin'ny taona 1999. Isan-taona izy no mandeha any amin'ilay mpanofa maka ny volany. Tamin'ity taona 2008 ity, nilazany ilay olona fa halainy amin'izay ny tany hokarakarain'ny zanany izay efa lehibe. Tamin'ny 27 septambra teo, nandeha tany amin'ilay olona toy ny fanaony izy haka ny volany hofan-tany. Rehefa nandeha nitodi-doha hody anefa ity tompon'ilay tany dia nisy nanaraka avy ao aoriana ary rehefa teny amin'ny toerana mangina dia norasarasaina tamin'ny antsy tamin'ny fomba mahatsiravina tokoa.
Mbola hita teo amin'ny toerana nahitana ny razana ilay antsy namonoana azy. Avy hatrany dia lasa tany amin'ilay mpanofa avokoa ny eritreritr'ireo zanany. Ny antony, nanombaka tamin'ny fotoana nahitana ny fatin-drainy, tsy hita izay nalehan'io mpanofa io.
Efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny zandary any an-toerana amin'izao fotoana izao mba hahalalana ny marina mikasika ity famonoana feno habibiana sy hakanosana ity. Hakanosana satria dia tsy sahy nanatrika ilay olona novonoiny akory izay nanao izany fa namely avy aoriana.
Saika isan'andro koa amin'izao fotoana izao no handrenesana olona hita faty nisy namono tetsy sy teroa. Tsy fantatra intsony izay tena antony marina na valifaty, na halatra sy fanendahana no hamonoana olona sahala amin'izao na dia fialonana tsotra fotsiny izao.
Mamy Augustin.
 


5304midi-mg-006225-8319-13102008 Tapatapany.
Tapatapany.
 
 Fanafihana fivarotan-dasantsy. Tamin'ny sabotsy alina tokony ho tany amin'ny 8 ora tany, nisy olona roalahy nanafika ny fivarotan-dasantsy teny Alakamisy Fenoarivo. Voalazan'ny vaovao fa nitondra basy ry zalahy. Avy hatrany dia nambanany basy ireo mpiasa miisa telo teo amin'ilay toby fivarotana ary nasainy niondrika ambany. Nalainy amin'izay ny vola maty io hariva io. Araka ny fantatra dia teo amin'ny Ar. 200 000 mahery kely teo izany vola izany. Rehefa azon-dry zalahy izay nilainy dia ireny izy ireo lasa nandositra nandeha nianatsimo tany ary nandrahona izay mety hanao sahissahy hanaraka azy ireo.
 
 Sangy mihoatra ny loha. Niakatra fitsarana ary nalefa any am-ponja vonjy miaka ny tovolahy iray noho ny sangy tafahoatra nataony. Tamin'ny faha-26 septambra, nisy filazana olona very tao amin'ny gazety ary nipetaka teo ny nomerao telefonina hiantsoana ny havan'io very io. Naharay antso avy any Antsirabe tokoa ilay fianakavian nilaza fa any ilay very. Rehefa naleha tany anefa, tsy nisy na inona na inona akory tany. Nametraka fitarainana tany amin'ny polisy ilay fianakaviana. Natao ny fanadihadiana ka tratra ilay tovolahy. Tamin'izay no nilaza fa fa nananihany fotsiny izy.
Nangonin'I r.s./Lova
 


5315midi-mg-006237-833-11012008 Ny mpanampy ihany no mangalatra
Halatra.
Ny mpanampy ihany no mangalatra
  Izany tokoa no atao hoe mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Olona tena natokisana tokoa ity mpanampy ity.   Tamin'ny talata teo dia nirahin'ny mpampiasa azy izy hanatitra entana any an-trano. Notanterahiny izany. Nisy kosa anefa ny ambadika nataony. Nateriny tany amin'ilay lehibeny ny fanalahidy ary nilaza izy fa efa mihidy tsara avokoa ny trano. Dia nandeha tsy tamina ahiahy ilay mpampiasa. Akory anefa ny hagagany rehefa tonga tany an-trano izy fa nisy nangalatra ny entana sasany tao. Nandeha nampilaza haingana teny amin'ny polisy ao amin'ny boriborintany faha-3 ry zareo. Tamin'izay indrindra no indreny polisy nitondra olona izay tratran-dry zareo nitondra entana tsy mazava avy amin'ny fisavana nataony. Rehefa nojerena, hay ireo entana very tao amin'ilay trano. Noraisim-potsiny ireo mpangalatra. Hay rehefa avy nasaina nanatitra entana tany an-trano ity mpanampy ity ka niverina tany amin'ny tompon-trano dia nilaza fa efa nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Tsy izany anefa no niseho fa ny fanalahidy fotsiny no nomeny fa ny varavarana tsy nihidy. Rehefa avy eo nanao tampody fohy izy ary nalainy avokoa izay zakany tao an-trano. Mpivarotra eny Andravoahangy tsena ilay very entana ary mpanampy azy ilay nangalatra.
r.s.  


5334midi-mg-006258-835-11012008 Polisy saika voaendaka basy  tamin'ny 3 ora maraina   
Polisy saika voaendaka basy
tamin'ny 3 ora maraina
 
Zava niseho teny Ampasika, ny marainan'ny 9 janoary lasa teo tokony ho tamin'ny 3 ora maraina. Nandritra ny fifanjevoana tamin'ny polisy no saika nanendahan'ny jiolahy ny basy teny aminy. Nanao fisafoana teny amin'iny faritra Andohatapenaka sy Ampasika iny ny mpitandro filaminana tamin'io fotoana io. Malaza ho be mpanendaka mantsy eny ary efa mikaroka an'i JMK, mpanendaka gaigilahy ny polisy. Efa betsaka ny vaovao momba azy, efa maro ny olona voany ary efa in-droa nisy polisy voaendaka koa teny. Vao nahatazana ireo polisy anefa izy dia izy indray no nandrirotra ny basy teny amin'ny polisy. Raikitra ny fifanjevoana. Naharitra ela izany ary saika tsy nilavo lefona mihitsy i JMK. Ny polisy rahateo tsy nanaiky lembenana satria zavatra saropady ity saika halain'ny jiolahy ity. Tsy vitan'ny saika hisintona ny basy ranamana fa nidaroka ireo mpitandro filaminana koa.  
Mpiambina ny Filoha
Rehefa ela nifampitolomana teo dia voafehy ihany i JMK. Natao ny fisavana azy saingy tsy nahitana na inona na inona teny aminy. Na kara-panondro izany, na antontan-taratasy hafa. Ny hany nambarany dia ny anarana fiantsoana azy. Anaran'ny mpiambina ny Filoha teo aloha io indraminy io. Mpiambina izay ikoizana amin'ny resaka haiady. Toe-javatra tokony handraisana fanapahan-kevitra eo anivon'ny mpitandro filaminana izao nitranga teny Ampasika izao. Matoa ny jiolahy mahasahy manohitra mpitandro filaminana sy misintona basy izany dia fantany fa zavatra ho vitany izany. Tokony ho hamafisina, araka izany, ny fanazaran-tena amin'ny resaka haiady sy ny fiarovan-tena ho an'ny polisy tsirairay. Misy ihany ny sampana efa manao izany fa tsy mbola ny polisy rehetra. Raha ny toe-batana aza, dia ny jiolahy indray no toa manantombo noho ny polisy. Ry zalahy koa anie mba mikotrana e!
Aina R.


5338midi-mg-006263-8354-14102008 Commémoration à Analakely annulée
Commémoration à Analakely annulée
Politique 

5338midi-mg-006264-8355-14102008 L'ambassadeur australien chez le PM
L'ambassadeur australien chez le PM
Politique 

5351midi-mg-006278-8368-14102008 Nampiasainy ny sheky halatra, olona maro voafitaka
Halatra
Nampiasainy ny sheky halatra, olona maro voafitaka
 
Sheky halatra no nividianany ireo zavatra maro. Ny fitafiana nanaovany sy ny fihetsiny no namitaka ny maro. Mitondra ireny karazana sakaosy fitondran'ny olo-manankaja ireny. Tsy mandeha manambaka izay hofitahina izy raha tsy efa dila ny amin'ny 3 ora hariva. Dia afaka nanambaka olona tamin'ny sheky halatra hatrany amin'ny Ar. 4,5 izy. Tamin'ny volana jolay lasa teo no niatomboka ity zavatra ity. Nanjanon'ny tompon'ny seheky very teny Anosy ny fiarany tamin'io andro io. Araka ny filazany dia nisy namaha izany fiara izany ary very ny sakaosiny roa nisy zavatra marobe, ka anisan'izany ny sheky roa, ny iray nisy raviny efatra ary ny faharoa mbola tsy nokitihina mihitsy. Avy hatrany dia nihevitra ny hanao fanohanana izy. Tsy maintsy niala ny renivohitra rangahy ny ampitso, ho any Toliara, ka afaka andro vitsivitsy vao niverina, ary tamin'izay vao nanao ny fanohanana tany amin'ny banky. Manana ny porofo mazava tsara tokoa izy.
Ilay mpangalatra, tetsy andanin'izany, efa nividy zavatra tany amin'ny magazay lehibe vitsivitsy. Ireo nahita azy, rehefa avy nandalo teny amin'ny fampanoavana ny raharaha omaly, dia samy nilaza fa mihaingo tsara izy. Mitondra sakaosy anisan'ny tsara. Manana karapanondrom-pirenena misy ny sariny, saingy amin'ny anaran'ilay  tompon'ny sheky very. Sahy zavatra tokoa izy satria tsy nisalasala nanome ny karatra teny aminy  hotao dika mitovy tany amin'ilay mpivarotra nangalany entana.
Maro dia maro ny olona nanendry ny tompon'ny sheky ho mpisoloky. Nisy mihitsy aza ireo nitory azy teny amin'ny tiribonaly. Nanatrika ny fampanoavana izy, omaly, ary nahazo fahafahana vonjy maika. Tsy mijanona eo anefa ny raharaha, tamin'ny sabotsy teo, mbola nandefa ny shekiny ihany ilay olona. Efa nahetsika avokoa ny mpitandro filaminana isan-karazany hahafahana misambotra an'ity  sady mpangalatra no mpisoloky ity.
r.s.
 


5351midi-mg-006279-8369-14102008 Mpimasy nitady maty an-drano, tsy hita faty koa
Rano misy lolo. Re matetika eto amintsika fa misy ny rano, na renirano manana ny fady azy nefa dia misy manimbazimba.
Mpimasy nitady maty an-drano, tsy hita faty koa
 
Raha ny vaovao voaray no taterina eto dia hafa raha samy hafa ity tranga iray tany amin'ny tanana atao hoe Andranotsara, any amin'ny disitirikan'i Bafandiana Nord. Mahay zavatra ny mpimasy, samy manaiky izany ny any ambanivohitra lavitra rehetra any. Sendra ny tsy nifanaraka tamin'ny fahaizany anefa angamba ity iray ity ka nanaraka hatramin'ny ainy.
Nisy tovolahy iray 25 taona, mpanarato no raharahany, tao amin'ny renirano iray. Nivoaka ohatra ny fanoany izy tamin'ny faha-17 septambara teo. Nandeha tsy nisy ahiahy. Asa anefa izay zavatra niseho fa rehefa teny afovoana-drano dia nivadika ny lakana nentiny ary dia lasa tany izy. Hatramin'izao fotoana anoratanay izao, tsy mbola hita ny fatiny.
Sahiran,-tsaina ny fianakaviana ka rehefa lany haiky dia nanatona mpimasy iray. Nilaza io farany io fa misy lolo mitazona an'ity mpanarato ity ao anaty rano ao ka tsy maintsy resena. Afaka manao izany izy. Raikitra ny varotra ary nadeha teny amoron'ilay rano izy ireo. Nampiasa ny fahaizany teo ingahy rainy. Voalazan'ny vaovao fa nisy ravinkazo nalefany tany anaty rano ary nilaza izy fa rehefa mijanona izy dia ao ilay tovolahy no tazonin'ny lolo.
 
Tsy hita faty. Nanomboka teto, niova ny fandehan-javatra. Tonga teny amoron-drano Ingahy mpimasy ary nanimpy zavatra tany anaty rano sy niteny fa amin'ny toerana hijanonan'izany no misy an'ilay tovolahy. Rehefa teny afovoany teny, tsy nihetsika ilay zavatra. Niakatra tao ambony lakana Ingahy mpimasy niaraka tamin'ny olona roa hafa. Rehefa tonga tao amin'ilay toerana anefa, nivadika ny lakana. Lasa tany anaty rano tany ilay manampahaizana ary dia tsy hita intsony hatramin'izao ny fatiny.
Tezitra, araka  izany, ny mponina teo an-tanana ka samy nanana ny filazany. Nisy ireo sahisahy nanimpy ny ody izay navelany eo amoron-drano tany anaty rano.
Ny tena nahavariana ny olona dia na ilay maty an-drano na ilay mpimasy tsy nisy mbola hita faty hatramin'izao.
Mamy Augustin
 
 
Lire aussi
 
Brèves


5383midi-mg-006313-8402-15102008 Gadra nitsoaka mbola namono olona
ANOSIBE. Novonoin'izy roa lahy izy mivady ary noraofiny ny entana sy ny vola.
Gadra nitsoaka mbola namono olona
Tamin'ny alalan'ny fitaka sy fomba feno habibiana no namonoan'ireo roa lahy ireo mpivady teny Anosibe. Nentiny nivoaka ny trano aloha ilay rangahy ary novonoiny tamin'ny antsy teny Antanimora. Niverenan'izy roa lahy tao indray avy eo ilay ramatoa vadiny, novonoiny ary noraofiny ny entana sy ny vola.
Mpinamana ihany i Naivokely, Tovokely ary ity rangahy maty ity. Tonga tao an-tranon'ilay namany teny Anosibe izy roa lahy, nilaza tamin'io fa misy entana ho alain'izy telolahy eny Ankatso fa mila mitondra kara-panondro. Noho ny fifampatokisana dia nandeha tokoa ilay rangahy kanjo rehefa tonga teny Antanimora dia noleran'izy roa lahy tamin'ny antsy ka maty tsy tra-drano.
Tsy vita hatreo anefa fa mbola niverenan'izy roa lahy teny Anosibe ny vadin'ilay namany. Nodarohan'izy ireo ary notsatohany antsy. Nihevitra izy roa lahy fa maty ilay ramatoa ka noraofiny ny entana sarobidy sy ny vola tao an-trano.
Tsy maty anefa ilay renim-pianakaviana fa mbola nahavita niantso vonjy. Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana izy ka voasambotra ihany i Naivokely. I Tovokely kosa tsy mbola hita hatramin'izao. Tamin'ny famotorana nataon'ny polisy no nahafantarana fa gadra nandositra i Naivokely.
Niakatra Fitsarana ny raharaha ka voasazy hiasa an-terivozona 30 volana izy roa lahy. Ny an'i Tovokely mbola niampy didy fampisamborana. Tsy afa-po tamin'izany anefa ny fianakavian'ny voampanga ka nangataka fandravana didy. Omaly no niakatra teny amin'ny Fitsarana indray ny raharaha ka nohamafisin'ny Fitsarana indray ny sazin'izy roa lahy. Voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafaty miampy didy fampisamborana ho an'i Tovokely. Mbola niampy sazy 2 taona an-tranomaizina ihany koa noho ny fitsoahana ny fonja.
Raha tsahivina dia ny 16 Febroary 1996 no nitrangan'ity vonoan'olona niaro halatra teny Anosibe ity.



5383midi-mg-006314-8403-15102008 Dimy lahy nandroba sy nandratra olona
Asan-jiolahy
Dimy lahy nandroba sy nandratra olona
Tamin'ny zoma lasa teo, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray any Ambatolahifisaka Faratsiho ny dimilahy nitondra basy, antsy lava ary faraingo vy, tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany alina. Mpivarotra ireo olona norobain-dry zalahy ireo. Avy hatrany dia novelezin'izy ireo ny lehilahy iray tao an-trano. Nasiany ihany koa ilay renim-pianakaviana sy olona roa hafa. Nangatahany ny vola vidim-bary 6 tapitrisa Ar sy vidin'omby tao amin'io fianakaviana io. Fantatr'ireto olon-dratsy tokoa fa avy nivarotra vary sy omby ry zareo ary nividy tany.
Namaly ireo olona fa tsy ao intsony ny vola ary efa namidy io tany io. Na izany aza anefa dia mbola nahazo 270 000 Ar ihany ry zalahy. Nisy tafavoaka tany ivelany ny iray tamin'ireo zanak'ilay ramatoa ka afaka niantso vonjeo. Vetivety dia vory ny tao an-tanàna. Raha nahare izany ireo jiolahy dia rifatra nandositra. Natao ny fanenjehana azy ireo ka tratra ny iray. Rehefa nanontanina izy io dia nilaza fa avy aty Anosibe Antananarivo.
Lova 


5383midi-mg-006315-8404-15102008 Nahafaty ankizy?
Fanafody bilarziozy
Nahafaty ankizy?
Zazalahy 14 taona, mpianatry ny sekolin-dry masera ao Ampahimanga-Arivonimamo, no namoy ny ainy ny talata lasa teo. Mbola tsy voafaritra mazava hatramin'izao na noho ny fihinanany fanafodina bilarziozy, ny alatsinainy, no nahafaty azy na antony hafa mihitsy. Araka ny vaovao avy any an-toerana, dia ny alatsinainy 6 oktobra teo, tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany, nandritra ny hetsika fizarana fanafody hiarovana amin'ny bilarziozy no nihinana Praziquantel ity zazalahy ity. Nandeha niandry omby izy ny talata maraina ary nody tao an-trano tamin'ny 3 tolakandro fa hoe mafana be ary mifanitona. Tsy naharitra anefa fa tamin'ny 5 ora dia tapitra ny ainy.
Araka ny nambaran'ny dokotera tomponandraikitra voalohany amin'ny fahasalamana any an-toerana, dia mbola tsy voaporofo hatramin'izao fa noho ny fihinanany an'io fanafody io no nahafaty azy. Voalaza mantsy fa ora 8 ka hatramin'ny 12 aorian'ny fihinanana ilay fanafody dia tsy hita ao anatin'ny fivalanan-drano io fa levona. Marina fa mety misy fiantraikany amin'ny vatan'ny olona mihinana azy ilay fanafody, toy ny aretin'an-doha, fanina na te handoa fa tsy tokony hahafaty. Ary araka ny fanadihadiana natao dia ny 4,58%-n'ny ankizy nihinana no tratran'ireo.
Manakorontana ny sain'ny olona any an-toerana io resaka io amin'izao fotoana izao. Tonga tany an-toerana ny tomponandraiki-panjakana nijery ifotony ny toe-draharaha. Tsy natao anefa hatramin'izao ny fizahana ifotony ilay razana hahafantarana ny marina rehetra.



5384midi-mg-006317-8406-15102008 Procès demain à Antsirabe
 BAD BOY 
Procès demain à Antsirabe
Léon R., plus connu sous  bad boy  ou encore  desperado , sera devant la barre demain. Il aura à répondre pour homicide involontaire de la petite Cynthia, 10 ans. Pour rappel, cette fillette a trouvé la mort dans un accident tragique dont le bad boy fut l'auteur. Il a levé le guidon de son moto-cross pour mieux marquer sa frime, dont il en est bien réputé. Ce qui a viré au drame lorsqu'il a, durant cette démonstration, percuté Cynthia et sa cousine. Un fait qui a révolté Antsirabe, au point où tout a failli tourner en émeute. Une affaire à suivre...
D.R 


5385midi-mg-006319-8408-15102008 Nokaikeriny ny filahian'ilay nanolana azy
Soanieran'Ivongo
Nokaikeriny ny filahian'ilay nanolana azy
Saika tapaka tarangana ny filahian'ity lehilahy iray rehefa nokaikerin'ilay vehivavy voalaza fa naolany. Rehefa nentina teo anivon'ny fokontany ny fandehan-javatra dia natao raharaham-pihavanana. Tsy maintsy nandoa vola sy nanome omby iray ho an'ilay ramatoa ilay rangahy. 25 taona izy, ilay vehivavy kosa 34 taona.
Tany amin'ny faritra Antenigny, any amin'ny tanàna atao hoe Andrambavato any Soanieran'Ivongo no niseho ity zavatra ity tamin'ny faha-2 oktobra lasa teo. Nanana tany amidy ity vehivavy ity ka nilaza izany tamin'ny olona. Tamin'io andro voalaza io, nisy roa lahy tonga tao aminy. Raikitra fa handeha hijery ny tany izy telo. Rehefa hita izany dia lasa nialoha ny lehilahy iray. Araka ny fantatra dia toa nasain'ilay namany nandeha izy.
Raha vao dify anefa io dia naolan'ilay nijanona ny tompon'ny tany. Asa izay zava-nitranga fa dia io voakaikitra io ny filahian-dranamana. Tsy afaka nihetsika teo ny anao lahy. Niantso fokonolona ramatoa avy eo. Mbola tratra teo amin'ilay toerana nisehoan'ny fanolanana rangahy.
Nentina tany an-tanàna ary nohadihadiana. Nandà mafy tokoa ny fiampangana azy izy ary ilay vehivavy no nolazainy ho nandainga sy nivadika tamin'ny fifanekena. Farany anefa, araka ny vaovao, toa nanaiky ihany izy.
Manerana ny faritra rehetra ity fanolanana ity. Tsy ny vavy ihany no iharan'izany fa efa nisy lehilahy ihany koa. Misy mihitsy aza olon-dehibe tsy mahatsiaro tena fa manao herisetra amina ankizy tsy ampy taona. Tokony ho tena faran'izay henjana ny sazy ampiharina amin'ireny olona ireny.

Lire aussi - Asan-jiolahy : Dimy lahy nandroba sy nandratra olona - Fanafody bilarziozy : Nahafaty ankizy? - Fort-Dauphin : Deux personnes tuées dans une attaque -  BAD BOY  : Procès demain à Antsirabe - Délit de fuite 


5386midi-mg-006321-8410-16102008 NULL
 
Nécrologie (16/10/08) 

5403midi-mg-006339-8428-16102008 Tapatapany.
Tapatapany.
 - Ady amin'ny bilarizaozy. Tonga nitondra fanazavana taty amin'ny gazety ny manampahaizana roa, mikasika ny nahafaty ilay zaza tany amin'ny faritr'Itasy. Fanafody anisan'ny tena lafo vidy tokoa io hitsaboana ny bilariziaozy io. Fanafody izay nolazain'izy ireo fa tsy mahafaty velively raha arahina tsara avokoa ny fepetra rehetra mikasika izany. Alohan'ny hinanana azy dia efa misy ny fanomanana tsy maintsy atao. Tsy mahazo mihinana azy ny vehivavy bevohoka, ny olona voan'ny androbe. Misy daozy tsy maintsy arahina ihany koa. Any amin'iny faritr'Itasy iny dia 50% ka hatramin'ny 80%n'ny olona voan'io aretina io.
 
 - Mpirahalahy nifanindrona antsy. Tovolahy iray no notsindronin'ny zandriny antsy teo amin'ny lohany sy ny sandriny. Soa ihany fa mba avotra soa aman-tsara ny ainy rehefa nahazo fitsaboana teny amin'ny hopitaly. Adiady tao amin'ny tokantrano iray no niandohan'ity zavatra ity, teny Andavamamba. Noroahan'ny vady aman-janany sy novonoiny ity voan'ny antsy ity. Lasa nandositra tany amin'ny ray aman-dreniny. Mbola narahin'izy ireo anefa. Rehefa teo am-baravarana, teo izy no voan'ny antsy raha niaro ny rainy.
 
 - 30 taona ny Sampana Fivondronana laika (SFL). Mandritra ny taona iray no hankalazana ny faha-30 taonan'ny Sampana Fivondronana Laika. Manomboka ity volana oktobra 2008 ity ka hatramin'ny volana oktobra 2009. Ny teny filamantra amin'izany dia ny hoe, Miray fo, Miara-miezaka, hampandroso ny finoana ny Filazantsara Fil 1:27b -DIEM. Ho maro, araka izany, ny hetsika hotontosaina.
 
Nangonin'I r.s.
 


5403midi-mg-006340-8429-16102008 Misy tambazotra mampiasa izany
Sheky halatra.
Misy tambazotra mampiasa izany
Sahirana mafy tokoa ny tompon'ny sheky very tamin'ny faha-8 jolay lasa teo. Nijanona vetivety teny Anosy izy tamin'io andro io. Rehefa niverina anefa dia akory ny hatairany fa very ny sakaosiny ary tsy hita niaraka tamin'izany ny sheky sy ny antotataratasy maro. Misy Ny androntr'io ihany moa dia efa nanao fanohanana tany amin'ny banky ilay olona. Taty aorina, nisy nampaisa ireo sheky ireo. Nividianan'olon-tsy fantatra entana. Indimy no niseho izany ary ireny magazay mivarotra entana sarobidy ireny no nazmpiasaina ireo taratasim-bola ireo. Ny voalohany nahatratra hatrany amin'ny 450 000 Ar, ny manaraka 1 350 000 AR, ny fahatelo 920 000 Ar, ny fahaefatra 770 000 Ar ary ny farany 2 199 250 Ar.
Amin'izao fotoana izao, mbola tsy fantatra mazava ilay mapiasa ny sheky. Manaitra ny sain'ny mpivarotra ny tompony mba hijery tsara alohan'ny handraisana izany. Ireto avy ny nomeraon'ireo shaky ireo : laharana 2753546 ka hatramin'ny 2753550 ; ny faharoa 5810 150 izay misy dimapolo (50) raviny.
r.s.
 


5404midi-mg-006342-8430-16102008 Mirongatra ny vaky trano
Antsirabe.
Mirongatra ny vaky trano
Tato ho ato, nirongatra izay tsy izy ny vaky trano amin'ny faritra maromaro ato Antsirabe. Ny biby fiompy sy ny fitaovana an-dakozia no tena lasibatra amin'izany. Tamin'ny fiandohan'ny volana oktobra teo teny Andranomanelatra, tovolahy iray no tratra ambody omby. Teo ampamahana ny varavarana izy no nisy nahita. Tratra teo akaikiny teo ny famaky sy ny gony saika hitondrany ny kisoan'olona. Niharan'ny daroka ity mpangalatra ity ary saika maty mihitsy.
Teny Ambano, tratra ihany koa ny roalahy namaky lakozian'olona. Ny kojakoja tao no saika halain'izy ireo. Rehefa natao ny famotorana ary ireo dia fantatra fa olona mirenireny tsy manan-trano ry zalahy ireo. Efa entanina moa amin'izao ny mponina mba ho mailo raha mahita olona mampiahiahy mba hampandra haingana ny tompon'andraikitra. Maro dia maro tokoa mantsy ireny olona tsy hita fototra ireny mivezivezy eran'ny Tanana.
Ny halatra fahatelo, niseho tany amin'ny tananan'I Tsarafara any Betafo. Mpangalatra efatra no tratran'ny fokonolona saika hangatra osy miisa enina. Tsy tanteraka anefa izany. Hafa dia hafa ity halatra ity. Sambany nandrenesana olona hangalatra osy.
Voasambotra avokoa ireo mpangalatra ireo ary efa nandalo ny mpitsara mpanao famotorana. Ireo teny Ambano tamin'ny faha-6 oktobra. Ilay saika hangalatra kisoa niakatra fitsarana tamin'ny faha-9 oktobra. Ireo mpangalatra osy tamin'ny faha-14 oktobra. Notanana am-ponja vonjy maika ny enina tamin'izy ireo. Ny iray kosa nahazo fahafahana vonjy maika.
Lova
 


5405midi-mg-006344-8432-16102008 Maty notsindrominy rano mangatsiaka ny vadiny
HASOMPARANA . Izao tokoa angamba ny hoe, rehefa tsy ho vadiko ihany dia aleo samy tsy hisy hanana.
Maty notsindrominy rano mangatsiaka ny vadiny
 
Ankeviny tsy nahatanty ny fisarahana tamin'ny vadiny ny lehilahy iray monina any Ambanivohitr'Antalaha koa dia nahita hevitra izy ny hamono azy. Arak any vaovao dia nanarama olona ny anao lahy hanndrona ity vadiny tamin'ny rano mangatsiaka. Telopolo minitra fotsiny taorian'izany dia maty ilay vehivavy. Tamin'ny faha-7 oktobra teo no niseho ity zavatra ity.
Efa nivady elaela ihany ireto olona ireto. Nanapa-kevitra rangahy fa hividy moto vaovao. Dia nahazo tokoa izy tamin'ny volana septambra. Raha nahita izany ilay ramatoa vadiny dia niteny taminy fa tsy hanaiky izy raha tsy hividianana zavatra mitovy vidy amin'ilay moto. Tsy nanaiky anefa rangahy satria lafolafo ihany ilay moto. Dia raikitra ny romborombo teo amin'izy mivady. Farany, rehefa tena tsy ahazo izay zavatra tadiaviny ravehivavy dia lasa nandeha nisaraka tamin'ilay rangahy.
 
Narary ramatoa. Tamin'ny voalohandohan'ny volana oktobra, tsy salama ramatoa ka nandeha nitsabo tena teny amin'ny hopitaly. Rehefa nanaraka fitsaboana izy dia sitrana soa aman-tsara. Mbola nasain'ny mpitsabo niverina ihany anefa atao faharaha-maso. Tamin'io fotoana io indrindra no nanatona azy ilay vadiny efa nisarahany. Niteny ity frany ity nanao hoe, aza mandeha aty amin'ity dokotera ity intsony ianao fa izao no hisahana ny fitsaboana anao na dia efa misaraka aza isika. Dia nanaiky tokoa ilay vehivavy. Hay efa misy zavatra noman'ilay lehilahy tany ambadika tany rah any fandehan-javatra no jerena tsara. Nentiny tany amina olona iray izay nolazainy fa dokotera mpitsabo. Hay tetika efa maty paika ny azy roalahy. Nilazany ilay ramatoa fa ho tsindromina ary dia nanaiky.
 
Maty tampoka . Raha vao vita kelikely anefa ny fanindromana, afaka 30 minitra, maty ilay olona. Teo vao samy nikoropaka ny rehetra. Ny fahafatesana tampoka moa tsy maintsy jeren'ny dokotera teny izy. Rehefa nandinika ny razana izy io dia nilaza fa tsindrona rano mangatsiaka no nahafaty tampoka ity vehivavy ity. Notadiaviny tamin'izay ilay rangahy nefa dia efa nadio ny rano nitana. Tsy hita izay nalehan'izy sy ilay olona nanindrona ny vadiny taloha. Efa mandeha amin'izao fotoana izay ny fikarohan'azy ireo. Niely tamin'ny radio maro tany amin'iny faritry SAVA iny ity vaovao mapalahelo ity.
Maro ny olona mahavanona zavatra tsy hain'ny saina ho eritreretina akory. Na lahy na avavy dia mahavita izany avokoa. Tany amin'iny faritra avaratra iny ihany, nisy lehilahy iray namono ny vadiny tamin'ny tapa-biriky. Nefa ry zareo efa nisaraka ary vita ara-dàlana tany amin'ny fitsarana izany fisarahana izany.
Mamy Augustin
 


5414midi-mg-006354-8442-17102008 NULL
 
Nécrologie (17/10/08) 

5418midi-mg-006359-8447-17102008 Rénovation du Palais
Anosikely
Rénovation du Palais
Nouveau look au sénat pour accueillir la deuxième session ordinaire consacrée principalement à l'adoption de la loi des Finances dont la cérémonie officielle d'ouverture aura lieu mardi prochain, à Anosikely. De ce fait, les armoiries des 22 régions seront installées sous le préau du Palais de verre. Rénovation également au niveau de la grande salle de séance plénière. Le nombre de sièges est revu à la baisse. Concernant surtout la place réservée aux sénateurs qui a été réduite de deux tiers. Etant donné que si ces derniers étaient au nombre de 90 lors de la précédente  législature, actuellement ils ne sont plus que 33. On a ainsi enlevé les  chaises  en surplus.
Dominique R. 
 
Politique 

5426midi-mg-006368-8456-17102008 Trano iray kilan'ny afo
Manjakaray
Trano iray kilan'ny afo
 
Omaly tokony ho tamin'ny 4 ora mahery, nirehitra ny trano iray tetsy Manjakaray. Misy efitra maro amin'io trano io ka ny efatra tamin'ireo no tena kila hatramin'ny entana tao anatiny. Araka ny vaovao re teny an-toerana, dia avy ao amin'ny lakozia no niandohan'ny afo. Teo amin'ny lavarangana ambony io ary vita amin'ny hazo. Tamin'io ora voalaza io anefa, tsy tao ilay mpanofa fa lasa namonjy firavan'ny mpianatra. Ny tompon-trano izay mipetraka ao ambany rihina tsy mahalala na inona na inona. Ny mpandalo taty ivelany no niantsoantso fa mirehitra ny trano. Nijoalajoala loatra anefa ny lelafo koa dia notazanim-potsiny. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna nanome tanana tamin'ny famonoana ny afo. Efa tany amin'ny 7 ora hariva izany vao resy tanteraka.
r.s.
 


5427midi-mg-006370-8458-17102008 Olona folo voalaza fa mpamosavy nampijaly lehilahy iray
Mpamosavy. Tsy dia tsara loatra ny tsy mino ny zavatra lazain'ny olona indrindra raha resaka mpamosavy. Nanao mafy loha anefa ny olona iray ka nahita ny anganony.
 
Olona folo voalaza fa mpamosavy nampijaly lehilahy iray
 
Nody alina . Tamin'ny faha-9 oktobra teo, nisy olona maty tao amin'io tanàna voalaza etsy ambony io. Nirohotra nandeha niandry faty tany ny mponina. Anisan'izany ity olona nidiran'andro ity. Malaza ho tsy dia mino loatra ny fisian'ny mpamosavy izy io na dia efa nilazan'ny mponina aza fa tena misy izany. Tamin'ny 11 ora alina tany ho any, dia nikasa hody ny anao lahy. Maro ireo olona nandrara azy tsy handeha irery. Nikiribiby nandeha ihany anefa izy. Mbola 3 km miala eo ihany koa ny tranony. Vao afaka iray kilometatra anefa dia nifanena tamina olona miisa folo izy. Niboridana tanteraka ireo olona ireo. Nenjehan'ireo olona ireo izy ary tsy lasa lavitra dia tratra. Nosintonin'ireo mpamosavy ireo tamin'ny volony rangahy. Notarihiny tamin'ny tany. Tetsy andanin'izany, ny sasany nandaka ary ny hafa nitaingina azy.
 
Malemy . Efa maraina vao hitan'ny olona ity lehilahy ity. Efa tena reraka be tokoa ary maradratra ny tenany iray manontolo. Mbola afaka nitantara tsara ny zavatra nahazo azy kosa anefa izy. Ny fitantarany ny zava-nanjo azy no nahafantaran'ny mponina fa tena mpamosavy tokoa ireo nisoavaly azy ireo. Mbola tsy afa-mihetsika ity lehilahy ity hatramin'izao. Asa, mety ho tonga ao an-tsainy amin'izay angamba fa tokony hohenoina ihany ny zavatra lazain'ny olona. Tsy miteniteny foana izy ireny.
 
Mpamosavy . Maro ny resaka re mikasika ireny lazaina fa mpamosavy ireny. Samy manana ny fomba ilazany azy ny faritra rehetra. Aty afovoan-tany, matao hono ny olona mivoaka alina mandeha mamosavy dia milalao ody fitia na ny marina kokoa, maka io karazana ody io. Tsy mahazaka ny heriny ka lasa mandeha any amin'ny lalana tsy tokony ho izy. Tsy ireo mivoaka amin'ny alina ihany anefa no mpamosavy fa ao koa ireo manapoizina ny mpiara-belona aminy amin'ny alalan'ny fanomezana zavatra mahafaty. Ity zavatra ity dia tena misy tokoa ary efa maro ny ohatra azo lazaina amin'izany.
Mamy Augustin
 
 
Manjakaray : Trano iray kilan'ny afo


5445midi-mg-006390-8479-18102008 Mpivarotra iray voaroba, olona roa naratra
Ivato. Omaly sy afakomaly hariva, fanafihana sy fanendahana in-droa miantaona no niseho teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Mpivarotra iray voaroba, olona roa naratra
Omaly alina tokony ho tany amin'ny 9 ora tany ho any, norobain'ny jiolahy ny fivarotana iray teny amin'ny faritr'Ivato. Vokatr'izany, lasan'ireo mpandroba ny vola tao amin'ny fivarotana sy ny rojo volamen'ilay ramatoa tompon-trano. Vatifitra ihany koa ny zanany vavy kely vao 6 taona monja sy ny tovolahy mpanampy tao an-trano.
Efa alina ihany izany amin'ny 9 ora izany, ka efa nanidy tsena ireto voatafika ireto. Araka ny vaovao, nisy nandona indray anefa ny varavarana ka angamba noheverin-dry zareo fa mbola mpividy ihany koa dia novahana indray. Vao tafiditra anefa ireo olon-dratsy dia napoakany in-droa ny basy. Izany no nahavoa ireo olona roa ireo. Raiki-tahotra ireo olona rehetra tao amin'ilay fivarotana ka tsy nisy afaka nihetsika. Nasain'ireto olon-dratsy nomena azy tamin'izay ny vola. Nahatratra an-tapitrisa izany. Tsy nionona tamin'io anefa ireo bandy fa nalainy koa ny rojo volamenan'ilay ramatoa. Raha vao azon'ireto jiolahy ny zavatara nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Ireo olona roa naratra kosa dia nentina notsaboia haingana tany amin'ny hopitaly.
Asan-jiolahy. Saika isan'andro no andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-basy. Tsy aty an-drenivohitra ihany fa manerana ny faritra maro mihitsy. Tsy entin'izy ireny fotsiny ny basy fa ampiasainy tokoa. Avy aiza ary izany fitaovam-piadiana izany ? Any ambanivohitra lavitra any, izay voalaza fa faritra mena anjakan'ny dahalo mpangalatra omby, dia nahazoana valiny, ampahany ihany, ny amin'ny fiavian'ny basy. Tany amin'ny faritr'i Tsiroanomandidy, nampangaina ho nampanofa basy tamin'ny dahalo ny miaramila iray. Tamin'ny fifandonan'ny zandary tamin'ireo malaso dia hita ny bala nitifiran'ireo farany ny tompon'omby izay namoy ny ainy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa an'io miaramila io ny basy. Efa Tanana am-ponja vonjy maika izy io.

Lire aussi - Kidnapping : Polisy iray voampanga - Vatomandry : Nirehitra ny Espace Zazah Robert - Tapatapany 


5446midi-mg-006392-8480-18102008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ambohidratrimo. Hain-trano. Nahitana hai-trano teny Fiakarana, kaominina Anosiala, ny 16 oktobra 2008, tokony ho tamin'ny 04 ora hariva, ka tranon'akoho roa no may tamin'izany. Vokatr'izany dia zanak'akoho miisa 1450 no may. Misimisy ihany ny fahavoazana satria nahatratra hatrany amin'ny Ar. 50 000 000 izany. Araka ny fantatra dia renim-pianakaviana iray mipetraka any Sabotsy Namehana no tompon'ilay ferme.
 -Analalava. Zaza roa may. Nitrangana hain-trano tao Andranovato, any amin'ny kaominina Farahalana, ny 16 oktobra 2008 tokony ho tamin'ny 02ora maraina. Vokany dia zaza roa no voalaza fa main'ny afo, saingy tsy mbola fantatra mazava ny toe-pahasalamany amin'izao fotoana izao. Efa nidina teny an-toerana ny tomponandraikitra ao an-toerana, niaraka tamin'ny mpitandro filaminana, nijery akaiky ity raharaha ity mba hanadihady sy hamantatra ny fiavian'ny afo.
 - Antsirabe. Nahemotra ny fitsarana. Nahemotra ho amin'ny alarobia faha-23 oktobra ny fitsarana ilay lehilahy manana anarana hoe Bad boy nandona nahafaty ankizy tamin'ny môtô nentiny, volana vitsy lasa izay. Noho ny fangatahan'ny mpisolo vava azy, izay tsy salama, no nahatonga ny fanemorana. Tsiahivina moa fa tamin'ny fotoana nandoman'ity lehilahy ity ireo ankizy dia toa mbola izy indray no avo vava. Tezitra tamin'izany ny mponin'Antsirabe ka saika raikitra mihitsy ny fihetseham-haboaka tany an-toerana.
  - r.s. 


5450midi-mg-006397-8485-18102008 Jiolahy avy nanendaka nitifitra miaramila
MAHAVOKY. Noheverin'ireo jiolahy fa hisambotra azy ilay miaramila ka avy dia notifiriny, ary voa teo amin'ny feny.
Jiolahy avy nanendaka nitifitra miaramila
Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray teny Mahavoky Besarety, omaly. Ny maraina tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany dia nisy jiolahy miisa telo, mirongo basy nanendaka olona. Lasan'izy ireo tamin'izany ny vola miampy finday ary gourmette volamena. Nandositra avy nanendaka io olona io ireto jiolahy ireto no nifanojo tamin'ny miaramila iray manao fanamiana ara-dalàna ary mitaingina môtô. Nihevitra ireo jiolahy fa handeha hisambotra azy ity miaramila ity ka ny azy no nataony tonga aloha. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy ka voa teo amin'ny feny ilay miaramila. Tsy nijanona ireto mpanendaka fa dia niditra elakelan-trano ary tany dia tsy hita. Ilay miaramila naratra kosa nianjera tamin'ny tany ka ny olona sendra nandalo no namonjy azy. Teo amin'ny feny no voan'ny bala ary nivoaka tany ambadika avy eo. Nentina haingana notsaboina teny amin'ny hopitaly miaramila eny Soavinandriana izy, ary amin'izao fotoana izao dia efa tsy ahiana ny aminy.
Manohy ny fikarohana ireo jiolahy ny mpitandro filaminana saingy tsy mbola mahita mangirana hatramin'izao.
Marihina fa miaramila mitondra ny grady Adjudant, miasa any Ambatomanoina ity voatifitra teny Mahavoky ity.
Analamahitsy. Nahenoana poa-basy koa teny amin'ny faritr'Analamahitsy teny omaly vao maraina. Voalaza fa kaontenera nitondra entana Sinoa no nisy nanafika, ka raha nisy fanoherana teo amin'ireo mpitondra entana dia nanapoaka basy ireo jiolahy. Mbola tsy mahita mangirana amin'ity raharaha ity ihany koa ny mpitandro filaminana eny an-toerana.
Matetika. Matetika no isehoana fanafihana mitam-piadiana eny amin'iny faritr'i Mahavoky iny. Vao tsy ela akory izay no nisian'ilay mpitantana toby famatsiana solika nisy nanafika teny ka nahaverezana vola 250 tapitrisa. Mbola tsy misy tratra ireo jiolahy hatramin'izao.



5450midi-mg-006398-8486-18102008 Polisy iray voampanga
KIDNAPPING
Polisy iray voampanga
Sazy hiasa an-terivozona 15 taona. Io no sazy nomen'ny Fitsarana ilay polisy voampanga ho nandray anjara tamin'ny fakana an-keriny zanaka-karana teny amin'ny Cité Planton, ny 31 desambra 2006. Nitaky vola 650.000 euros tamin'ny ray aman-drenin'ilay zaza nalaina an-keriny izy ireo tamin'izany. Olona 7 izy ireo no voarohirohy tamin'ity raharaha fakana an-keriny ity, ary niatrika ny Fitsarana omaly. Ny roa voasazy hiasa an-terivozona 15 taona. Ny roa hafa kosa voasazy hiasa an-terivozona 10 taona, ary nisy kosa ny afaka noho ny fisalasalana. Avy amin'ny alalan'ny antso an-tariby nifanaovan'ireo mpaka an-keriny tamin'ny ray aman-drenin'ilay zaza no nahatratrarana ny iray tamin'ireo jiolahy. Iny indray avy eo no nanoro ny namany telolahy, ary ireto farany indray no nanondro ny namany telo hafa. Ilay polisy sy ny namany iray no tena atidoha nikotrika ilay fakana an-keriny. Mpanampy sy mpanatontosa fotsiny kosa ireo namany sasany.



5450midi-mg-006399-8487-18102008 Nirehitra ny Espace Zazah Robert
VATOMANDRY
Nirehitra ny Espace Zazah Robert
Kilan'ny afo tanteraka ny 80%-n'ny trano lehibe fisakafoanana ao amin'ny Espace Zazah Robert ao Vatomandry omaly. Ary hatramin'izao ora anoratanay izao dia tsy mbola maty ny afo. Omaly tokony ho tamin'ny 4 ora tany ho any no nanomboka nirehitra ity trano fisakafoanana lehibe ao Vatomandry ity. Hatramin'izao aloha dia voalaza fa court-circuit no nahatonga ny afo. Saika may avokoa ny antsasa-manilan'ilay trano lehibe, niaraka tamin'ireo entana rehetra tao anatiny. Ny hany sisa tsy may kosa dia ireo trano fatoriana, izay somary mihataka kely ilay tranobe. Nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tany an-toerana namono ny afo. Soa fa  amoron-drano no misy ity toerana malaza ao Vatomandry ity ka tsy dia manano-sarotra loatra ny famonoana ny afo, eny fa dia tsy misy mpamonjy voina aza any an-toerana.
Marihina fa tsy any an-toerana amin'izao fotoana izao ny tompon'ny Espace Zazah Robert ao Vatomandry fa aty an-drenivohitra mamonjy raharaham-pianakaviana. Nisy mpanao sarimihetsika Malagasy koa nipetraka tao tamin'ny fotoana nampirehitra ny trano. Mba hisorohana ireo mpanararaotra dia ny zandary any an-toerana no misahana ny fiambenana ireo fitaovana tafavoaka.



5472midi-mg-006423-8512-20102008 Miaramilan'ny  primature  maty nianjera avy eny amin'ny rihana fahatelo
NANISANA. Potika tanteraka ny lohany. Niezaka namonjy ihany ireo tao an-trano saingy niala maina.
Miaramilan'ny  primature  maty nianjera avy eny amin'ny rihana fahatelo
Namono tena sa nianjera tsy nahy? Mbola tsy fantatra marina hatramin'izao izay tena nahafaty ity miaramila teny Nanisana ity. Mbola eo am-panaovana famotorana ireo olona nanatri-maso aloha amin'izao fotoana izao ny mpitandro filaminana. Ny alahady tokony ho tamin'ny 1 ora maraina no nisehoan'ity loza nahafaty olona ity. Miaramila mitondra ny grady Sergent, 29 taona, ary miasa eny amin'ny Priamture ilay maty. Araka ny filazan'ireo olona niaraka taminy tao an-trano, tetsy amin'ny Cité-n'ny miaramila Nanisana aloha dia nitsambikina avy eo am-baravarankely izy. Ny lohany no nitontona voalohany ary niajera tao anaty tatatra izy. Nentina namonjy dokotera teny amin'ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandriana saingy tsy tana ny ainy. Misy vaky roa eo amin'ny lohany.
Araka ny voalazan'ny fianakaviany dia monina eny Ambohibe Ilafy ity miaramila ity ary tonga namangy ny fianakaviany teny Nanisana izy tamin'io fotoana io. Efa manana olana eo amin'ny lohany ihany izy noho ny fianjerany tamin'ny moto tamin'ny volana may lasa teo. Ny lohany no tena voa tamin'izay loza izay ka misy fotoana izy manao krizy. Voalaza fa nihetsika io krizy io tamin'io fotoana io ka avy dia nitsambikina avy eny am-baravarakely izy. Niezaka namonjy azy ihany ilay havany saingy tsy nahatazona azy, ilay namonjy aza nianjera tao anaty fanasan-damba ihany koa.
Efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Ary manomboka rahampitso ny fakana am-bavany ireo izay rehetra nanatri-maso. Hatreto aloha dia tsy mbola afaka litany hoe namono tena ve izy sa nianjera tsy nahy raha tsy vita ny famotorana. Ny ao amin'ny primature rahateo mitaky ny hanaovana fizahana ifotony ny razana mialoha ny hanolorana azy ny fianakaviany.

Lire aussi - GNFM : Mankalaza ny faha-5 taona - Tapatapany 


5472midi-mg-006424-8513-20102008 Mpitaingina moto roa voadonan'ny fiara
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Mpitaingina moto roa voadonan'ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy Ambohitrarahaba ny sabotsy hariva teo. Mpitaingina moto roa no voadonan'ny kamiao. Avy naka solika teo amin'ny tobin-dasantsy eo Ambohitrarahaba ilay kamiao no nivoaka ka nahavoadona ilay kodiaran-droa. Mpianaka no nitaingina ilay moto ka ilay lehibe no tena voa mafy ary miady amin'ny fahafatesana. Ny zandary eny Ankadikely no manao ny famotorana.
Tetsy Analakely, ny zoma hariva teo, dia nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa. Lehilahy iray mitondra moto no niharan-doza. Raha nihazo ny lalan'ny 13 mey iny izy no nisy fiara 4x4 nihemotra ka nahavoadona azy. Mafy dia mafy ny fifandonana ka nipitika lavitra mihitsy ilay mpitaingina moto. Soa fa nanao aroloha raha tsy izany dia raharaha. Na izany aza voamafy ihany tany amin'ny lamosiny tany tsy vitan'ny nipitika mantsy izy fa mbola nidona tamina fiara nijanona teo amin'ny sisin-dalana ihany koa. Ny an'ilay fiara 4x4 dia nipitika mihitsy ilay mitazona ny kodiarana fiandry ao aoriana.



5472midi-mg-006425-8514-20102008 Mankalaza ny faha-5 taona
GNFM
Mankalaza ny faha-5 taona
Mankalaza ny faha-5 taonany amin'ity taona ity ny  Groupe Feon'Ny Mpiambina  (GNFM). Rafaralahidimy Livariniony (R. Liva) izay efa nanmorona hira ara-pilazantsara nandritra ny 20 taona no filohan'ny tarika. Miisa 9 ny mpikambana amin'izao fotoana izao. Ny hitory ny filazan-tsara amin'ny olombelona rehetra no tarigetran'ny GNFM, araka ny voalaza ao amin'ny Marka 16 :15. Efa nivoaka ny rakikira voalohany  Iraky ny Ray  tamin'ny taona 2006, ary vao nivoaka tamin'ny septambra teo ny rakikira faharoa  Herezo ny dia .
Z.R. 


5472midi-mg-006426-8515-20102008 Tapatapany
Tapatapany
 - Antsirabe. Olona roa lasan'ny rano tao Andraikiba. Olona mianaka no indray lasan'ny rano omaly. Nivadika ny lakana nitaingenan'izy ireo ary nalentiky ny rano any izy mianaka. Mbola eo am-pikarohana azy ireo ny any an-toerana amin'izao fotoana izao. Zanak'olona avy any Mahajanga any ity zaza lasan'ny rano ity.



5484midi-mg-006439-8527-20102008 Visite du Gouverneur
Rotary International District 9220
Visite du Gouverneur
Jean-Claude Hoareau, gouverneur du Rotary International District 9220, est dans nos murs depuis hier. Sa visite entre dans le cadre de la célébration du cinquantenaire du mouvement rotarien de l'Océan Indien (OI). En fait, le premier club rotarien de cette région a été créé en 1958 avec la naissance du RCAD (Rotary Club Antananarivo-Doyen). Un demi-siècle plus tard, le District 9220 compte aujourd'hui 53 clubs répartis dans 7 pays de l'OI, notamment Maurice, la Réunion, Seychelles,  Comores, Djibouti, Mayotte et, bien sûr, Madagascar.
Vola Andriamanana 
Société 

5523midi-mg-006480-8570-21102008 Tovolahy maty voatifitry ny jiolahy
Fandrobana
Tovolahy maty voatifitry ny jiolahy
Maty tamin'ny alahady lasa teo ilay olona notifirin'ny jiolahy teny Ivato tamin'ny fandrobana niseho teny an-toerana tamin'ny herinandro lasa teo. Olona roa no indray voatifitra tamin'izay ka vavy kely zanaky ny tompon-trano ny iray ary io lehilahy namoy ny ainy io ny faharoa. Fivarotana iray no norobain'ny jiolahy nitondra basy. Efa nihidy ilay trano tamin'izay no tonga nisy nandona. Tamin'izay ihany koa no nisy olona sendra nandeha nivoaka. Avy hatrany dia nibosesika niditra ireo jiolahy ary ny basy no napoakany voalohany. Tamin'izany no nahavoa an'ireo olona roa ireo. Vola 2 tapitrisa sy firavaka volamena no lasan'izy ireo tamin'izany.
Rehefa azony izany dia nandositra izy ireo. Efa mandeha ny fikarohana azy ireo amin'izao fotoana izao.



5523midi-mg-006481-8571-21102008 Vazaha vavy lasan'ny ranomasina
MAHAMBO
Vazaha vavy lasan'ny ranomasina
Niezaka nanavotra azy ihany ireo mpitondra lakana saingy tsy tana ny ainy.
Loza an-dranomasina niseho tany Mahambo - Fenérive Atsinanana ny alahady lasa teo tokony ho tamin'ny 1 ora latsaka fahefany antoandro. Vazaha vavy 69 taona nandeha nilomano teny an-dranomasina no lasan'ny rano ary niafara tamin'ny fahafatesany izany. Lasa teny afovoany loatra izay, efa ho any amin'ny 100 metatra miala ny torapasika any ho any. Sendra n yonja mafy izay ka vao tsy tafaverina tety an-tanety intsony. Niezaka nanohitra ihany saingy mafy dia mafy ny herin'ny ranomasina, izy rahateo koa efa niharereka. Niezaka namonjy azy ihany ny mpitondra lakana sendra nahita ny loza saingy tsy avotra intsony ilay vazaha vavy.
Mahery dia mahery ny ranomasina amin'iny faritra iny, ary mahatratra hatrany amin'ny 2 na 3 metatra any ho any mihitsy ny ahavon'ny onja indrindray. Ireo mpanao surf no tena mahita fahafinaretana amin'izany. Mety hitera-doza kosa anefa ho an'ny mpilomano. Tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza io efa niakatra ihany koa ny ranomasina ka vao mainka sarotra ho an'ilay vazaha vavy ny nanohitra azy. Mora tokoa mantsy ny milomano amin'ny ranomasina raha hiditra makany anatiny, fa ny fiverenana no mananosarotra amin'ny fanoherana ny onja. Ny tena rahateo efa miha-reraka ka raha tsy mahay milomano sy matanjaka tsara dia alentiky ny rano.
Nosy be. Mbola fahafatesan'olona teny ambony ranomasina ihany. Olona iray antsoina hoe ABDAL M. no hita maty tamin'ny fomba mampiahiahy teny ambonin'ny sambo Jean Pierre Calloch. Mpiasa ao amin'ity sambo mampitohy an'i Nosy be sy Mahajanga ity ihany i Abdal ary graisseur no asany. Olona 12 no voarohirohy tamin'ity raharaha ity, izay samy équipage avokoa. Rehefa natolotra ny fitsarana izy ireo dia 7 naiditra am-ponja ary 5 nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.



5523midi-mg-006482-8572-21102008 Sinoa notafihin'ny jiolahy mitam-basy
AMBODIFILAO
Sinoa notafihin'ny jiolahy mitam-basy
Nitrangana fanafihana mitam-basy indray teto an-drenivohitra ny harivan'ny sabotsy lasa teo. Sinoa mpivarotra eny Ambodifilao no notafihina jiolahy miisa efatra mirongo basy. Vola 10 tapitrisa no lasan'izy ireo tamin'izany. Araka ny fitantaran'ireo niharam-boina, dia niditra an-keriny tao amin'ilay trano fivarotana ireo jiolahy. Tsy nisy nisaron-tava ary ny roa tamin'izy ireo nitondra basy poleta. Avy hatrany dia nanambana ilay Sinoa tompon'ny fivarotana ary nitaky ny vola rehetra. Noho ny tahotra dia tsy nanohitra mihitsy ilay Sinoa fa avy dia nanolotra ny vola maty tamin'io andro io. Vao azony ny vola dia nirifatra nandositra izy ireo. Nisy olona nahita tety ivelany nilaza fa nahita ireo jiolahy nandeha an-tongotra ary nandeha tsotra toy ireny olona tsy avy nanao fanafihana ireny. Ny teo amin'ny manodidina rahateo tsy nisy nahasahy nihetsika noho ny tahotra. Efa eo am-panaovana famotorana mikasika ity fanafiha ity ny mpitandro filaminana.



5523midi-mg-006483-8573-21102008 Manampy ny mpianatra
DISTIM
Manampy ny mpianatra
Nizara fitaovam-pianarana ho an'ny mpianatra ao amin'ny EPP miisa 13 sy CEG miisa 3 ary sekoly tsy miankina vitsivitsy eto an-drenivohitra ny DISTIM Tana II, tarihin'ny Dr Andrianaivo, ny zoma 17 oktobra lasa teo. Fitaovana famafana tabilao miisa 800 no nozaraina tamin'izany. Tafiditra ao anatin'ny asa sosialy ataon'ny antoko Tiako I Madagasikara izao hetsika ataon'izy ireo izao. Niara-nanolotra ireto fitaovana ireto ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Boriborintany faha-II sy ny biraon'ny DISTIM Tana II.


5523midi-mg-006484-8574-21102008 Tapatapany
Tapatapany
. Kilan'ny afo ny lavanila sy ny vary fotsy tao Anjanana, tanàna iray ao amin'ny kaominina ambanivohitra Antsirabe-nord, ao Vohémar. Trano miisa 21 no may ny 17 oktobra lasa teo. Olona 34 no tsy manan-kialofana vokatr'izany. Araka ny vaovao azo, dia afo avy ao amin'ny lakozian'ny tokantrano iray no niandohan'ny loza.
. Hiakatra indray ato ho ato ny raharaha Bôlô. Anio, raha araka ny fantatra, no mety haterina ao amin'ny Fampanoavana ny dosie mahakasika izany. Tsahivina fa mahakasika heloka bevava ity dosie faharoa ity.
Nangonin' D.R 


5523midi-mg-006485-8575-21102008 Zazavavy nihoson-drà nariana tanaty tatatra
Herisetra
Zazavavy nihoson-drà nariana tanaty tatatra
Ny alin'ny alahady 03 aogositra teo no noheverina fa nanatontosana ity herisetra tsy roa aman-tany ity. Niendaka ny molony, feno rà ny tapany ambany ary niparitaka hatrany amin'ny ankanjony aza izany. Zazavavikely efa-taona izy io, raha araka ny vaovao azo. Rehefa nozahan'ny manam-pahaizana dia tsikaritra fa naolana io zaza io. Niantraika hatrany amin'ny kibony izany herisetra izany, raha ny fijerin'ireo ihany. Tsy vitan'io aza fa mbola nisy nokendainy ihany koa izy. Tsy ela dia nahoraka tao Morarano-Chrome, ao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka ny raharaha. Teo amin'ny manodidina teo rahateo no nisehoan'ilay vonoan'olona.
Nahoraka
Nisy ny nilaza fa nahita io zaza io nentin'ny lehilahy tao an-tanàna ihany ny alahady antoandro. Dia teo izy no tsy hita intsony raha tsy io maty io. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ny olon-dratsy. Olona telo no voasambotra, raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Natolotra ny Fampanoavana ireo ka ny iray ihany no naiditra am-ponja. Tsy afa-po tamin'izany ny fianakaviana ka tapa-kevitry ny nampiakatra ny raharaha taty an-drenivohitra. Nisy mihitsy aza ny manam-pahefana sasantsasany no voatonona noho ny fanaovana kolikoly tao anatin'ity raharaha ity. Tantara mitohy.
D.R 
Lire aussi - Mahambo : Vazaha vavy lasan'ny ranomasina - Ambodifilao : Sinoa notafihin'ny jiolahy mitam-basy - DISTIM : Manampy ny mpianatra - Tapatapany 


5553midi-mg-006517-8610-22102008 Mpivady niady, maty rangahy  Rafotsibe maty kilan'ny afo
AMBOHIBAO. Taorian'ny famotorana naton'ny mpitandro filaminana dia olona 26 no natolotra ny Fitsarana omaly.
Mpivady niady, maty rangahy
Niafara tamin'ny fahafatesan'ilay rangahy ny adin'ny mpivady niseho tetsy Ambohibao. Taorian'ny famotorana nataon'ny mpitandro filaminana dia olona 26, izay saika havan-dramatoa avokoa, no natolotra ny Fampanoavana omaly. Ny harivan'ny faran'ny volana jolay 2007 no niseho ity adin'ny mpivady niafara tamin'ny fahafatesana ity. Niady tao an-trano ireto mpivady ireto, ka rehefa leon'ny ady rangahy dia nivoaka ny trano, tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teo. Teo no nanomboka nisafotofoto ny raharaha. Hatreo aloha dia samy tsy mbola nisy naratra. Tsy nanaiky anefa ramatoa fa niantso ny havany ary nandeha nanaraka an-drangahy tany ivelany. Mbola nitohy ny ady tany ary rehefa niverina tao an-trano izy ireo dia naratra be rangahy, ka ny lohany no tena voa mafy. Roa andro taty aoriana, tsy tana ny ain'ilay raim-pianakaviana fa nodimandry izy. Nametraka fitoriana teny amin'ny mpitandro filaminana ny havany ka nadeha ny famotorana. Herintaona mahery taty aoriana vao tena nazava ny raharaha, ka rehefa vita ny anjaran'ny mpitandro filaminana dia omaly ireo olona 26 voarohirohy no natolotra ny mpitsara tao amin'ny Fampanoavana tetsy amin'ny Fitsarana Anosy.
Raharaha izay isan'ny nandalo teny amin'ny Fitsarana omaly ihany koa ny mahakasika ilay vadintany izay naka entan-tsinoa teny Ambaranjana. Nalefa eny am-ponja vonjimaika izy sy ilay sinoa vavy miandry ny fotoam-pitsarana.
LANIERA
Rafotsibe maty kilan'ny afo
Nisehoana hain-trano teny Laniera - Ambatolampikely, afakomaly alina. Vokany, trano iray no levon'ny afo ary olona iray namoy ny ainy. Ramatoabe 70 taona ity niharan-doza ity. Izy irery no tao amin'ilay trano nirehitra ka kila tanteraka tao niaraka tamin'ny entana izy. Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra teny an-toerana dia afon-dabozia no nahatonga ny afo. Efa ny setroka sisa no hitan'ny fokonolona ka tsy voavonjy intsony ilay ramatoa.
Nitrangana hain-trano indray ny 19 oktobra 2008 tamin'ny  12 ora antoandro tao Fiadanana - Antanambao Manampotsy, ka tokony ho 1 000 eo ho eo ny tra-boina tamin'izany loza izany. Trano fonenana 200 no nisy fahasimbana vokatry ny fitaran'ny afo, ary mahatratra 450 ny olona tra-boina. Manoloana io fahavoazana lehibe io dia  nanao antso avo ny tomponandraikitra ao an-toerana ary mitady fanampiana ara-bary miaraka amin'ny kojakojan-dakozia avy amin'ny malala-tanana sy ny fitondram-panjakana.. Napetraka vonjimaika  amin'ny EPP sy ny fiangoanan eo an-toerana ireo tsy manan-kialofana.
Aina R. - Aina R. 
Lire aussi - Antehiroka : Nafeniny tany amin'ny WC ny firavaka nagalariny - Manjakandriana : Tovolahy 18 taona maty an-drano 


5554midi-mg-006519-8612-22102008 Nafeniny tany amin'ny WC ny firavaka nagalariny
Antehiroka
Nafeniny tany amin'ny WC ny firavaka nagalariny
Miseho lany indray ny halatra sy ny vaky trano any amin'ny kaominina Antehiroka. Tao anatin'ny telo andro izao dia mpangalatra miisa efatra no tratran'ny mpitandro filaminana eny an-toerana.
Tamin'ny alatsinainy lasa teo, variana sady tonga saina ihany ny tompon'ny trano iasan'ny vehivavy iray. Tampotampoka teo mantsy dia nilaza io ramatoa io fa hiala tsy hiasa intsony. Talohan'izany anefa, nahamarika fahaverezana zavatra maroamaro ireo mpampiasa azy, ka anisan'izany ny firavaka volamena. Tsy nijaona tamin'izao ry zareo fa nampandre ny zandary izay niditra an-tsehatra avy hatrany. Nandritra ny fanontanian'ny tompon-tano natao tamin'ilay mpiasa dia nandà mafy tokoa ho tsy naka ireo zavatra ireo izy. Rehefa ny mpitandro filaminana anefa no nanao ny famotorana dia niaiky ihany izy ary natorony ny toerana nanafenany an'ireo firavaka ireo, izay tsy taiza fa tany an-gabone. Notanana avy hatrany any amin'ny tobin'ny zandary izy.
Vaky trano. Nisehoana vaky trano indray kosa teny Ambohijanahary Antehiroka tamin'ny alahady lasa teo. Olona roa no tratra tamin'izany. Tsy eto an-toerana ny tompon'ilay trano fa any andafy. Izany no noararaotin'ireto mpangalatra namakiana io toeram-ponenana io. Nisy olona nasaina nanara-maso ihany anefa ka ireo no namapandre ny mpitandro filaminana. Efa tapitra voavaokan'ireo jiolahy ny entana maromaro, toy ny fanaka, ny kojakoja fanaovan-trano sy zavatra hafa. Nojokoina teo am-pangalarana izy ireo ka tsy afaka nihetsika ny roalahy. Efa any amin'ny zandary koa ireto olon-dratsy ireto.
Fa mbola tamin'iny faritra iny ihany, teny Andranoro, voasambotra ny mpamaky trano iray tamin'ny alatsinainy teo. Tamin'ny volana aogisitra, nisy trano iray vaky teny an-toerana saingy tsy tratra ny nanao izany. Entana maro no lasany. Tsy nijanona tamin'izao anefa ny mpitandro filaminana fa nanohy ny fikarohana ny olon-dratsy. Taty aoriana, nisy ampahany tamin'ireo entana halatra ireo hita teny an-tsena, ary dia fantatra avy tamin'izany ilay mpangalatra. Olona tsy lavitra fa monina eny ihany izy io.
Fiaraha-miasa matotra teo amin'ny zandary sy fokonolona no nahitana izao vokatra tsara izao.
Anio no hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireto mpangalatra ireto.



5554midi-mg-006520-8613-22102008 Tovolahy 18 taona maty an-drano
Manjakandriana
Tovolahy 18 taona maty an-drano
Tovolahy vao herotrerony, 18 taona, no nilentika tao amin'ny lakan-dranon'Imady Ambohitrinibe ny 19 oktobra 2008 tamin'ny 04 ora hariva, raha nilomano niaraka tamin'ny rahalahany. Tsy mbola mahay rano loatra izy io kanefa niditra teny amin'ny faritra lalina ka izay no nampilentika azy. Na dia niezaka nanao izay hanavotana azy aza ilay rahalahany dia tsy nahomby izany satria tsy voavaotra ny ain'ilay nalentiky tao anty rano. Efa tonga nijery teny an-toerana ny dokotera sy ny zandary avy ao amin'ny Brigade Mantasoa.



5574midi-mg-006542-8635-23102008 Misy dosie miparitaka indray
RAHARAHA BOLO
Misy dosie miparitaka indray
Efatra no nalefa eny Tsiafahy ary folo kosa eny Antanimora. Izay no valin'ny fanolorana teo anivon'ny Fampanoavana, afakomaly, ireo 14 lahy voarohirohy tamin'ny fikasana hamono ny Filoham-pirenena mba hanonganana ny Fanjakana. Tsy niandry ela fa omaly ihany koa dia efa niparitaka ny antontan-taratasy mifanandrify amin'io raharaha io. Mahakasika ny fiarovan-tenan'ny sasany tamin'ireo voarohirohy izany. Ao anatiny ny Kapôraly Ratsimandresy Jacky Hajason izay manambara fa tsy nisy fitaovam-piadiana nivoaka izany tao amin'ny RTS...miaramila roa isan'andro sy isan'alina no miambina ny magazay fitoeram-basy...Misy ny fanamarinana ny fitaovana rehetra ao aloha sy aorian'ny fiambenana ary mandalo ambaratonga maromaro ny tatira avy eo, izay vao afaka miala izahay mpiambina.... Mbola tao anatin'io antontan-taratasy io ihany io farany no nilaza fa nisy fitaka nihatra taminy. Ny miaramila Zafy Fihaora Robson, izay niasa teo anivon'ny Antenimieram-pirenena, dia tsy niala tamin'ny teniny nandritra ny fitsarana azy ihany. Tsy teto an-toerana velively aho tamin'ny fotoana nilazana fa saika nisian'ny fanonganam-panjakana...Tsy fantatro mihitsy na ny olona voarohirohy tao anatiny na ny momba ny raharaha...Dia noterena fotsiny hanao sonia aho mba hitazonana ny sasany raha tsy izany naiditra teny Tsiafahy, raha araka ny fitarainany tao anatin'ny fehin-teny fiarovan-tenany. Mitotaly enina pejy io dosie io.
D.R 


5574midi-mg-006543-8636-23102008 Senegaley mamo nivalan-drano imasom-bahoaka
Ivato
Senegaley mamo nivalan-drano imasom-bahoaka
Noraran'ny olona tsy hivalan-drano imasom-bahoaka ity teratany Senegaley iray mizaka ny zom-pirenena frantsay nefa dia tsy noraharahiany izany noho ny hamamoany. Nentina tao amin'ny tobin'ny zandary misahana ny seranam-piaramanidina izy ka rehefa nisava ny hamamoany dia nohadiadiana. Tamin'izany no nahafantarana fa ho any Dakar, Renivohitr'i Sénégal izy ary handray ny sidina Corsair. Nanovana fitanana an-tsoratra pour ivresse publique ity olona ity.
Tamin'ny faha-21 oktobra teo no nitrangan'izany teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Tsy vao sambany no nisy tranga sahala amin'izao. Maro ireo vahiny mihevitra ny tenany ho tsy maty manota rehefa aty amin'ny tany mahantra aty ka afaka manao izay danin'ny kibony. Manakana taxi fotsiny izy ireny dia efa mahatsiravina ny fomba fiteniny raha vao tsy mifanaraka amin'izay heveriny ny saran-dalana.



5574midi-mg-006544-8637-23102008 Novonoiny ny zanany fa tsy velony
Ambatondrazaka
Novonoiny ny zanany fa tsy velony
Novonoin'ity renim-pianakaviana vao 23 taona monja ny zanany lahy kely vao roa volana. Tao anaty rano tao amin'ny tetezana Sahabe Bejofo no nahitana ny razana. Nisy mangana ny hatony tamin'io. Natao ny famotorana ka ny tomponandraikitry ny fokontany no nanao izany. Somary mailo tamin'ity renim-pianakaviana mipetraka ao Ambohitromby Bejofo ny fokonolona izay tanàna tsy dia lavitra eo amin'ny manodidina, satria ny zaza teny aminy tsy hita, nasiany ravina voaloboka ny nonony mba hifintina. Araka ny fahafantaran'ny manodidina, dia niteraka roa ity renim-pianakaviana ity, ary nitaiza kely izy vao haingana, vetivety teo anefa tsy nisy zaza indray teny aminy. Nitohy ny famotorana ka nolazainy fa any amin'ny anadahiny ny zanany roa. Rehefa nofotorana itsy farany dia nanambara fa ny iray ihany no any aminy. Nitohy ny famotorana ary somary sarotiny ny fokonolona, ka nilaza ny marina ity renim-pianakaviana izay nilaza fa izy no namono ilay zanany ary dia nalatsany tao anaty rano io avy eo. Ny antony, araka ny nambarany, dia tsy velony intsony ka aleony novonoina. Efa natolotra ny manam-pahefana ilay nahavanon-doza.
Ny zoma 17 oktobra hifoha sabotsy 18 oktobra 2008 no nahitana ny razana ary tao amin'ny fokontany Ambohidrony, kaominina Bejofo distrikan'Ambatondrazaka no nisehoan'izany.


5574midi-mg-006545-8638-23102008 Ankizy nilalao &quot;briquet&quot;, may tanteraka ny trano
ANALAKELY
Ankizy nilalao briquet, may tanteraka ny trano
Kila tanteraka ny rihana faharoan'ilay trano nirehitra tetsy Analakely (Immeuble Ave Maria) ambadiky ny Muraille de Chine, ao an-damosin'ny Radiola, omaly tolakandro. Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra ao amin'ny mpamonjy voina, dia tamin'ny 3 ora tolakandro no nanomboka nirehitra ny afo ary ankizy nilalao briquet no nahatonga izany. Zaza mianadahy 5 sy 7 taona ireo nilalao afo ireo. Nodoran'izy ireo ny baoritra nisy ireo kilalaony ka nahazo plastika izany, niitatra izany ary nahazo ny trano iray manontolo. Soa fa nalaky nivoaka izy mianadahy ka niantso ny reniny izay nanasa lamba tao amin'ny efitra ambadika. Tafavoaka ara-potoana ihany izy telo mianaka ary tsy nisy naratra. May avokoa ny efitra 5 tany amin'ny rihana faharoa. Kila tanteraka ny fanaka, fahitalavitra, vata fampangatsiahana sy entana maro samihafa. Simban'ny rano ihany koa ny entana tao amin'ireo trano roa tao ambany.



5574midi-mg-006546-8639-23102008 Jiolahy maty voatifitry ny polisy
FORT DAUPHIN
Jiolahy maty voatifitry ny polisy
Jiolahy iray no maty voatifitra teo amin'ny vavany sy ny kibony, iray hafa kosa azo sambo-belona. Ireo no vokatry ny hetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana any Fort Dauphin afakomaly alina. Jiolahy rain-dahiny efa nokarohina hatry ny ela izy ireo. Tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teo no tonga tany amin'ny fokontanin'Amparihy, toerana nieren'ireo jiolahy, ny pôlisy. Natao ny fampitandremana ary niteny azy ireo mba hivoaka ny pôlisy saingy sady nitifitra ireo jiolahy no nanao tari-dositra. Raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana ka voatifitra teo amin'ny vavany sy ny kibony i Mahasoatovo, 26 taona. Azo sambo-belona kosa ilay namany. Rehefa natao ny fisavana dia nahita rongony roa lasàka, sy ody gasy marobe tao amin'ilay trano nieren'izy roa lahy.
Araka ny fanadihadiana nataon'ny mpitandro filaminana, dia jiolahy avy any Amboasary any izy ireo ary mety ho anisan'ireo manao fanafihana mitam-piadiana any an-toerana.
Mbola alaina am-bavany ao amin'ny paositry ny pôlisy ao Bazaribe ilay jiolahy azo sambo-belona. Ny vatana mangatsiakan'i Mahasoatovo kosa nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny hopitaly any an-toerana. Voalaza ihany koa fa nisy basy poleta vita gasy nentin'ireo jiolahy latsaka nandritra ny fifanenjehana ary mbola karohin'ny mpitandro filaminana hatramin'izao.
Voamarika fa hatramin'ny nisian'ireo tetik'asa maro fitandrahana fasimaintsy any Taolagnaro dia nirongatra ny asan-jiolahy. Mitombo mantsy ny isan'ny mponina any an-toerana ary miakatra izay tsy izy ihany koa ny vidim-piainana.



5575midi-mg-006548-8640-23102008 Saika hanolana ny anabaviny, nodorany  soudure 
Antsirabe. Ahavitana zavatra tsy neritreretina akory ny hatezerana.
Saika hanolana ny anabaviny, nodorany  soudure 
May tenteraka ny lamosin'ity lehilahy iray voalaza fa saika hanolana vehivavy. Tamin'ny alin'ny alatsinainy hifoha talata teo no niseho izany tany Mahafaly Vatofotsy.
Nisy lehilahy iray, 50 taona eo ho eo, mpanampy mipetraka amina fianakaviana iray efa fotoana ela. Tamin'io alina voalaza io dia niditra tao amin'ny efitrano misy ny zanaka vavin'ny mpampiasa azy izy. Avy hatrany dia nankeo amin'ny fandriana ralehilahy, araka ny vaovao voaray. Gaga tamin'izany fihetsiny izany sady natahotra ilay vehivavy ka niantso vonjy.
Taitra ny anadahiny sy ny rainy tany an'efitra hafa ka dia nandeha avy hatrany tao amin'ny toerana misy io vehivavy io. Nosamborin'ireo ranamana ary nentiny nivoaka. Avy eo nodoran'izy ireo tamin'ny afo fanaovana soudure ka may ny lamosiny. Ny ampitso, nikasa hametraka fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana ity lehilahy ity. Tany amin'ny polsiy monisipaly izy no nandeha, avy eo nankeny amin'ny BMH. Teny an-dalana anefa, nisy ihany ny resadresaka nifanaovan'ireo olona ireo taminy. Tamin'izany no nahalalana fa saika hanao zavatra tsy dia mendrika loatra ny taonany izy.
Efa misokatra amin'izao fotoana izao ny famotorana isan-karazany. Ny mikasika ny plainte saika hapetrany dia tsy mbola tontosa, omaly.
Mahavariana tokoa ity tranga ity. Asa aloha izay nahazo an'ity mpiasa satria raha ny taona nipetrahany tao amin'ilay fianakaviana, tsy tokony ho azon'io filan-dratsy io izy. Ireo nandoro kosa, tsy tokony ho nentina avy hatrany tany amin'ny tomponandraikitra ve ilay olona fa tsy nodorana.
Lova 
Lire aussi - Ivato : Senegaley mamo nivalan-drano imasom-bahoaka - Ambatondrazaka : Novonoiny ny zanany fa tsy velony - Analakely : Ankizy nilalao &quot;briquet&quot;, may tanteraka ny trano - Fort dauphin : Jiolahy maty voatifitry ny polisy 


5595midi-mg-006570-8664-24102008 Sazy 20 volana an-tranomaizina ho an'i Bad boy
Antsirabe. Tomefy olona ny tiribonaly, omaly, tamin'ny fitsarana ilay lehilahy nahafaty ankizy tamin'ny môtô
Sazy 20 volana an-tranomaizina ho an'i Bad boy
Omaly no notsaraina ilay lehilahy nahafaty olona tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny môtô. Rehefa nivoaka ny didy dia nosazian'ny fitsarana 20 volana an-tranomaizina izy, miampy onitra eo amin'ny 6 tapitrisa Ar eo.
Vao maraina be dia feno olona ny tao amin'ny tiribonaly, na dia somary nanorana aza ny andro. Samy liana ny amin'izay didy havoakan'ny fitsarana ny rehetra.  Tamin'ny 9 ora sy sasany no nanomboka ny fitsarana ary naharitra adim-pamataranandro roa vao vita izany. Ny hariva tamin'ny telo ora no nivoaka ny didy. Zavatra dimy samy hafa no niampangana an'ity olona ity : homicide involontaire; blessures involontaires; tsy fananana permis de conduire; tsy misy nomerao ny môtô; ary farany, tsy misy carte grise ihany koa.
Rehefa nohenoina ny voampanga dia nekeny ny hoe fianpangana voalohany. Toraka izany ihany koa ny ny faharoa. Nolaviny kosa ny hoe tsy fananana permis. Ny amin'ny tsy nisian'ny nomerao tamin'ny môtô dia nekeny ihany koa. Nolaviny kosa ny hoe tsy fisian'ny carte grise.
Vavolombelona. Rehefa niakatra kosa ny vavolombelona telo dia samy nanamafy fa nisy ny fandehanana mafy nataon'ity rangahy ity sy ny faningana ny lohan'ny môtô. Ho porofon'izany ny zavatra nisy tamin'ny fotoanan'ny loza. Tsy tafajanona ilay môtô raha afaka 30 metatra. Ireo ankizy voadona dia nipitaka tany amin'ny 21 metatra ny iray, ilay faharoa kosa tany amin'ny 15 metatra. Tamin'ny fandraisainy fitenenana dia nangataka ny hampiharana ny sazy ny mpisolo vava roa, an'ireo mpitory. Ho an'ny fampanaoavana indray, nionona tamin'ny famakiana ny lalana izy ary nampahatsiahy fa ho an'ny homicide involontaire dia sazy 3 volana ka hatramin'ny 2 taona no miandry izay manao izany, ary arahina lamandy 200 000 Ar ka hatramin'ny 6 tapitrisa Ar.
Didy. Efa tamin'ny 3 ora hariva voa nivoaka ny didy. Araka izany, saziana 20 volana an-tranomaizina, sazy mihatra ilay nahafaty olona tamin'ny lozam-pifamoivoizana. Didiana ihany koa handoa onitra izay mitsinjara sahala amin'izao : Ar 2 tapitrisa ho an'ny rain'ilay zaza maty; Ar 2 tapitrisa ho an'ny renin'ilay zaza maty ; Ar 500 000 tsirairay ho an'ireo mpiray tampo telo amin'ilay namoy ny ainy : Ar 450 000 ho an'ilay zaza naratra. Ankoatra izany, fampiatoana mandritra ny telo taona ny fahazoana mamily fiara ho an'ilay voasazy.
Nahatezitra mafy ny mponina tao Antsirabe tokoa iny lozam-pifamoivoizana iny, izay niseho roa volana mahery kely lasa izay. Ny tena tsy tantin'ny mponina dia ny vava navoakan'ilay nahavanona ny loza. Fantatra ihany koa, etsy an-danin'izany, fa tsy vao io ny loza nateraky fandehanany mafy tamin'ny môtô.
Lova 


5595midi-mg-006571-8665-24102008 Tovolahy iray voahorihory  Nantsingevan'ny rano ireo faty roa  Toaka gasy 425 litatra tratra
Fakana an-keriny
Tovolahy iray voahorihory
Voarohirohy tamin'ny raharaha fakana an-keriny sy fanolanana ny tovolahy iray ao anatina fianakaviana iray niady lova tany amin'ny faritr'Itasy. Rehefa nanao fitarainana tany amin'ny paositry ny zandary ao Mandiavato ny fianakaviana iray mikasika izany dia tonga nisambotra ilay tovolahy ny zandary, ny 18 oktobra 2008. Tamin'io fotoana io indrindra dia nahitana entana mampiahiahy maromaro tao aminy. Anisan'izany ny basy revolver iray tsy misy bala sy karatra ary antontan-taratasy samihafa amin'ny anaranan'olon-kafa. Rehefa nohadihadihana io tovolahy io dia fantatra fa entana azo nandritra ny asa fandrobana nitranga teny amin'ny 67 ha ireo tratra teny aminy ireo. Eo am-panaovana ny famotorana sy fikarohana ireo namany ny zandary ao amin'ny PA Mandiavato amin'izao fotoana izao ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian'ny fahavitan'izany.
Andraikiba
Nantsingevan'ny rano ireo faty roa
Hita tamin'ny alarobia alina teo ny razana iray ary omaly antoandro no hita ny faharoa. Tamin'ny faran'ny heriandro lasa teo dia tsy hita fa lasan'ny rano tao Andraikiba ny olona roa, navadiky ny lakana. Efa tena lany haiky ny fokonolona sy tompon'andraikitra isan-karazany nanao ny fikarohana fa dia niala maina. Omaly izany dia izay natsingevan'ny rano ary nipoitra ho azy izao ny razana. Lehilahy lehibe iray sy ankizy lahy, izay tsy misy rohim-pihavanana, ireo maty an-drano ireo.
Mandoto
Toaka gasy 425 litatra tratra
Toaka gasy mahatratra hatrany amin'ny 425 litatra sy ny fitaovana fanamboarana azy toy ny alambic miisa telo no tra-tehaky ny zandary tany amin'ny tanana atao hoe Ankamory kaominina Ankazomiriotra, any Mandoto, tamin'ny faha-14 oktobra teo. Olona sivy no voarohirohy tamin'ny ity raharaha ity. Tamin'ny hetsika fampandrian-tany hoentina miady amin'ny tsy fandriampahalemana no nahazoana izao vokatra izao. Efa nodorana teo antrehan'ny tompony ireo toaka  sy fitaovana ireo.
r.s. - r.s. 


5599midi-mg-006576-867-14012008 Sarona teo am-panondranana
Sarona teo am-panondranana
Efa eny ambony sambo no saron'ny  Brigade nautique  ao Morondava ireo hazo sarobidy (bois précieux). Hazo fisaka 800 sy bois carré maherin'ny 30 no azo teo anelanelan'i Manja sy Andranopasy, ao amin'ny faritr'i Menabe. Kilasiana ho isan'ny hazo tsara indrindra ireo zavamaniry izay fantatra amin'ny hoe hazo malany ireo. Ny fiaraha-miasan'ny zandarimaria tamin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana ary ny Angap no nahazoana izao vokatra izao.
Didi R.


5608midi-mg-006586-868-14012008 Lozam-pifamoivoizana
Lozam-pifamoivoizana
Raha nisy kely foana dia aina no nafoy. Fiara  504 bachée  sy ireny   Polo  kely ireny no nifandona teo Ankorondrano, teo anoloan'ny Midi Madagasikara. Ilay 504 bachée avy any Antanimena any ary ilay Polo kosa nivoaka avy aty amin'ny Shoprite. Nifanehatra tanteraka ireo ary samy simba be. Mba tsy nisy aloha ny naratra satria taty amin'ny faritra anoloan'ireo fiara no tena nifandona. Mila mba mitandrina sy mailo ihany ny mpamily rehefa hihazo io sampanan-dalana io.
D.R


5620midi-mg-006600-8692-25102008 Depiote sy vehivavy nifandramatra
KARAOKE
Depiote sy vehivavy nifandramatra
Ratsy fiafara ilay  karaoké ! Tao anaty  bal  iray no nitrangan'izany ny zoma alina, tamin'ny herinandro lasa teo. Nidongy tsy nety niala teo amin'ny  micro  ilay solombavambahoaka. Ny ambiny niandry sy nijery nefa tsy...nitehaka. Tsy tantin'ity vehivavy iray izay anisan'ny tonga mba hihirahira sy hilanonana ny zava-nisy. Nihorakoraka io farany. Naheno izany ingahy depiote dia niakatra ihany koa ny hatezerany. Raikitra ary ny fifamaliana. Ny iray teo amin'ny  micro no niteny ary ilay faharoa kosa niteny mafy teo amin'ny toerany ihany mba ho heno. Mazava loatra, teo imason'ireo olona rehetra tao anatin'ilay toerana izany. Niakatra hatrany ny maripana teo amin'izy roa. Nony farany, napetrak'ilay solombavam-bahoaka ny micro.
Tefaka. Nidina avy eny ambony sehatra izy ary nivantana avy hatrany teny amin'ilay vehivavy. Tsy nisy resaka intsony teo fa avy hatrany dia tefaka no nasetriny itsy farany. Tsy nionona tamin'izany ravehivavy fa mba namaly koa. Dia tena saika raikitra ohatr'ireny rombo an-dalambe ireny ny raharaha raha tsy nosarahan'ny...mpijery. Vetivety foana dia niely tao amin'ilay tanàna - izay iniana tsy tononina eto - ny vaovao. Depiote na solombavam-bahoaka, manana andraikitra ambony eto amin'ny firenena izy ireny. Tokony hanana fitondran-tena mendrika arak'izany satria tanàna iray ary fokonolona iray no indray soloiny tena. Fa tsy sanatria akory karaoké no handeha hikasihan-tanana olona. Amin'izay indray tamin'ny...fanaka malemy. 
D.R 
Lire aussi - Avaradrano : Nofatorany ny mpiambina dia nentiny ny fiara - Vaky trano : Nataon'ny jiolahy madiodio ny trano, lasa ny 10 tapitrisa - Armée Malagasy : De nouveaux instruments de musique pour l'Armée 


5620midi-mg-006601-8693-25102008 Nofatorany ny mpiambina dia nentiny ny fiara
Avaradrano
Nofatorany ny mpiambina dia nentiny ny fiara
Miseho lany indray ny halatra fiara amin'izao fotoana izao. Teny amin'ny faritra Avaradrano no nitrangan'izany. Nofatoran-dry zalahy ny mpiambina ary nentiny ny fiaran'olona.
Dimy lahy nanao fanamiana vert armé ary nitondra fiara BMW miloko fotsy no tonga nanafika villa iray teny Ankadikely Ilafy ny 22 ôktôbra lasa teo. Araka ny fantatra, dia nitondra galona ana manamboninahitra (kapiteny) ny iray tamin'izy ireo. Rehefa tafiditra tao amin'ilay trano izy ireo dia nilaza fa nanao accident eny amin'ny lalana digue ilay vazaha tompon-tanàna ka tonga ry zareo haka ny fiaran'io.
Vantany vao lasan'izy ireo ilay fiara dia nampandre ny zandary ny mpiambin-tanàna. Ny 23 ôktôbra tamin'ny 06 ora maraina no hita teny Soamanandrariny ilay fiara ary efa lany solika. Efa tafaverina amin'ny tompony ny fiara. Ny tsy fantatra, saika hataon'ireo mpangalatra inona ity fiara ity?



5627midi-mg-006609-8701-25102008 Nataon'ny jiolahy madiodio ny trano, lasa ny 10 tapitrisa
Vaky trano
Nataon'ny jiolahy madiodio ny trano, lasa ny 10 tapitrisa
Voasambotra ny olona telolahy, R.J.,  R.V. ary R.M., ahiahiana ho tompon'antoka tamin'ny halatra lehibe iray niseho teny Antsakambahiny, fokontany ao ihany, kaominina sy distrikan' i Manjakandriana, ny alin'ny 20 ôktôbra lasa teo. Lelavola mitentina 3.424.200 ariary no teny amin'izy ireo miampy entana maro, firavaka volamena, fitafiana izay mitotaly hatrany amin'ny 10 tapitrisa Ariary.
Ny talata 21 ôktôbra 2008 tamin'ny efatra ora maraina no nahitan'ireo zandary mpanao fisafoana olona roalahy miaraka amin'ny entana maro toy ny fanaka, sakaosy sy gony feno entana, ary bisikilety iray. Rehefa nanontaniana izy ireo dia tsy voazavany ny fiavian'ireo entana ireo, ka voatery niaiky fa entana halatra vao novidiany ireo. Rehefa tonga teny amin'ny tobim-paritra anefa ka nosavaina izy ireo, dia nahitana volabe notsinjaraina telo, izay misy ravim-bola dimy arivo Ariary miisa zato sy vola hafa ihany koa izay mitotaly 3.427.200 Ariary. Mbola tratra tany amin'izy ireo ny fitaovana namakiany ny trano toy ny chignole avec manivelle, clés ary tournevis. Nandritra ny famotorana natao no nahalalana ny namany iray izay tena atidoha nikotrika ity halatra ity. Natolotra ny Fampanoavana eny Anosy izy telolahy ireo omaly.



5633midi-mg-006616-871-14012008 Tsy ampy taona marobe mamaky trano
Antsirabe
Tsy ampy taona marobe mamaky trano
Raha tafaverina avy nanao ny fialan-tsasatry ny Noely sy ny taona vaovao tany Fianarantsoa ity tovolahy mpianatra mipetra-drery eny Miaramasoandro, dia trano babangoana no novantaniny. Tsy fantatra mihitsy ny andro namakian'ny jiolahy ny tranony raha nazava kosa fa niverimberenan'izy ireo matetika ny fitaomana ny entana izay nisy lafo vidy.  
Zaza tsy ampy taona
Nandeha avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy rehefa nipetraka teny anivon'ny polisim-pirenena tao Antsirabe ny fitoriana. Ny fanadihadiana natao teny amin'ny toerana nisy ny trano vaky no nahafantarana fa olona avy eo an-tanàna ihany no nahavanon-doza. Sarona avokoa izy enin-dahy tompon'antokoa tamin'io vaky trano io. Zaza tsy ampy taona ny telo. Vao efatra ambinifolo taona monja ary mbola mpianatra avokoa. Ankoatra ireo enina ireo, nambaran'ny pôlisy fa mbola nisy efatra hafa ihany koa no nosamborina. Mpiray tsikombakomba sy mpanafina ireo mpamaky trano izy ireo. Nitohy ihany ny famotoran'ny polisy. Nitombo sivy hafa indray no voasambotra. Mpandray ny entana halatra izy ireo.
Nanjavona ny entana
Tratra nandritra ny fisavana nataon'ny polisy ihany ny entana sasany toy ny kidoro, ny fahitalavitra sy ny boky fianarana ary ny fitafiana vitsivitsy. Teo koa ny vata vy miisa telo, na dia efa foana daholo ihany aza ny tao anatiny. Nefa dia entana sarobidy avokoa ny tao   anatiny : fananan'ny ray aman-drenin'ilay tovolahy vaky trano. Ny 10 sy 11 janoary teo no naharava ity tambajotra ity. Sivy ambinifolo mianadahy izy ireo no voasambotra ary hiakatra eny anivon'ny Fampanoavana tsy ho ela.
Zaza hatrany
Vao tsy ela akory izay no nahatratrarana ireo entana halatra marobe teny Ambohimena miaraka amin'ireo mpangalatra sy ny mpandray halatra, dia izao tratra
izao ihany koa ny teny Miaramasoandro. Ny tena itovizan'ireo dia misy zaza tsy mbola ampy taona hatrany ao anatin'ireo fikambanan'olon-dratsy. Mirongatra ny vaky trano ao Antsirabe. Soa fa haingam-piasa ny pôlisy ao an-toerana.
Lova (solontena ao Antsirabe)


5654midi-mg-006639-8731-27102008 Dahalo 5 tratra niaraka tamin'ny basiny
Amparafaravola
Dahalo 5 tratra niaraka tamin'ny basiny
Taitra sy natahotra ihany ny mponina satria omby miisa 5 no mirenireny eny amin'ny manodidina ary fantatra fa misy dahalo 5 mirahalahy  miaraka aminy, fa misitrika  ao amin'ny trano iray tsy lavitra ny tanana, izay fantatry ny fokonolona fa tsy misy tahotra mihitsy. Tao Anjozoro Ranofotsy, Kaominina Vohimena, distrika Amparafaravola no nisitrika izy ireo. Tsy ela dia henon'ny zandary tao amin'ny Tobin-janaparitra  Vohimena  (poste  ny zandary ) ilay feo  ka nanao ny paika rehetra amin'ny hisamborana ireto olona ireto izy ireo  . Ny zoma 17 octobre 2008 teo, tokony ho tamin'ny 11 ora alina,  no nirotsaka an-tsehatra ny zandary. Teo ampandrahoana ilay omby  iray ireo dahalo  no sarona ka tsy nisy nahahetsika, ka noraisim-potsiny.  Nahitana  basy calibre 12 miampy bala 7, ka ny 3 efa nipoaka 4 mbola tsy nipoaka, lefona 2 masolavitra 1 Moara (ody gasy mahery ) 2 - bakam-pilesy misy ody ratsy 2,  siflet 1,  niaraka tami'ilay omby 5 mbola velona. Niaiky izy ireo tamin'ny asa ratsy nataony ka nambarany fa  ny Alatsinaina 13 octobre 2008 no nangalarany ny omby tao Tanambao Andilamena,  izay miisa 6, ka saika hitadiavana mpividy.  Hatolotra ny fitsarana moa izy 5 mirahalahy miaraka amin'ilay mpampiatrano  azy.
Janus R 


5654midi-mg-006640-8732-27102008 Tapatapany
Tapatapany
 - Mpianaka voadonan'ny fiara. Samy naratra mafy tokoa ny olona mianaka nodomin'ny fiara, teny amin'ny faritra Ambohijanaka, tamin'ny sabotsy antoandro teo. Araka ny vaovao, nandeha teny ambony  trottoir  izy ireo izao niharan-doza izao. Ilay lehilahy teo amin'ny tongony no voa ary afaka nody rehefa nahazo fitsaboana. Ilay zaza vao 8 taona kosa, naratra teny amin'ny faritry ny kibony ary mbola any amin'ny hopitaly.
 - Nandositra ilay nandona. Mbola tamin'ny zoma teo ihany no nisy olona iray namoy ny ainy vokatry ny fandonan'ny fiara azy, teny amin'ny faritr'i Talata Maty. Ndeha hody avy nirava niasa izy, ary niampita arabe, izao niharan-doza izao. Araka ny vaovao voaray dia tsy nijanona akory ny fiara nandoana azy fa lasa nanohy ny diany ihany. 31 taona ity olona maty ity.



5654midi-mg-006641-8733-27102008 Zaza enina no narahina maso any amin'ny fonja
Antsiranana
Zaza enina no narahina maso any amin'ny fonja
Adin'izy samy ankizy nidiran'ny ray aman-dreny, ka nahatonga azy enina ho narahina maso eny amin'ny fonja. Efa herinandro izay no nitazonana azy ireo, ary omaly no nanaovana ny fanadihadiahana faharoa. Ny herinandro lasa teo , nisy ankizy roa nifamaly, ary niafara tamin'ny ady, tery amin'ny sekoly ABC. Niantso namana ny anakiray mba hiaro azy, ka tonga tamin'ny fandratrana izany. Ankizy mpianatry ny sekoly  ABC io naratra io. Nandefa fitarainana tany amin'ny pôlisy ny ray aman-dreniny. Natao ny fanadihadiana rehetra ka izy enina no voampanga fa ao anatin'ny  association des malfaiteur  , ary izay no antony nitazonana azy ireo. Nampandalovina tany amin'ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona ary namoahana  ordonance  mba hahafahana mitazona azy ireo ao amin'ny fonja. Araka ny vaovao azo dia tsy mafangaro amin'ireo ankizy hafa efa voasazy izy ireo fa tazonina ao amin'ny biorao. Mpianatra 02 avy amin'ny sekoly Avotra, 01 avy amin'ny sekoly adventiste ; Dalia ; EPP avenue pasteur ary notre Dame. Zaza anelanelan'ny 12 sy 14 taona izy ireo.Tamin'ny faha 20 octobra teo no nisamborana azy ireo ary natolotra ny fampanoavana ny 21 octobra lasa teo. Hatao tsy ho ela ny fitsarana ireo ankizy ireo.
V.JCL 


5654midi-mg-006642-8734-27102008 Ody mahery, izay vola jereny lasany
Ambanja
Ody mahery, izay vola jereny lasany
Manana fahaizana manokana mihitsy ity olona iray ity. Fahaizana manambaka ny namana anefa. Izay vola jereny mantsy, hono, tsy hita ary nisy ny nilaza fa lasany io vola io.
Tany amin'ny faritra Ambanja no niseho ity zavatra ity. Misy lehilahy iray tena manam-bola tokoa. Ninamana tamin'ny olona hafa iray izy ary nandritra ny volana iray no niarahany. Rehefa nihamatotra ny fifaneraserana dia nilazany io namany io fa manana volabe izy ary afaka manampy azy raha ilainy izany.
Omeko vola. Nasiany fepetra ihany anefa ny fanampiana omeny azy. Alohan'ny hanomezany ny fanampiana dia tokony ho fantany ihany koa ny vola ananan'ilay hampidraminy. Mba hahamatotra kokoa ny filazany anefa dia nanaporofo izy fa tena manam-bola tokoa. Nentiny nandeha tany amin'ny banky ilay namany ary naka vola hatramin'ny 100 tapitrisa izy. Dia nisy tokoa io volabe io. Tamin'izy niditra ny banky anefa, nasainy niandry teny ivelany ilay namany. Talanjona fotsiny io avy eo nahita ireo volabe.
Nanjavona ny vola. Nanomboka teo dia natoky azy ilay namany ary nitondra azy tany amin'ny tranony sy nampiseho ny vola tao aminy. Voalazan'ny vaovao fa nahatratra 37 tapitrisa izany vola izany. Naseho an'ilay rangahy io vola io. Rehefa hitany dia nilaza izy hoe ampirimo aloha fa ny azy koa mbola hoentiny mody ary rahampitso miresaka. Dia nisaraka teo izy roa. Tonga tokoa ny fotoana nifanomezana. Tsy tonga tany amin'ilay namany anefa ity be vola. Asa izay naha mahina azy fa nojereny ny toerana nampirimany ny vola. Saika safotra izy fa tsy tao intsony ny 37 tapitrisa. Lasa tany amin'ilay rangahy ny eritreriny. Notadiavina io farany io nefa tsy hita izay najavonany. Tamin'ny faha-9 oktobra no nanomboka notadiavina nanerana ny faritr'i SAVA izy, saingy najavona. Tamin'izay no nisy olona niteny taminy fa manana ody mahery io olona io ka izay vola rehetra hitan'ny masony dia lasany avokoa. Tsy misy trano vaky, tsy misy fampirimana vola nopitsohina fa dia tsy hita fotsiny.

Lire aussi - Tapatapany - Antsiranana : Zaza enina no narahina maso any amin'ny fonja 


5690midi-mg-006680-877-14012008 Athlétisme- Championnat de la SAAR de cross  Hommes  Cadets (5km):
Athlétisme- Championnat de la SAAR de cross
Minimes (2km) :
1- Rasoafara Sitrakiniaina (TAF) : 9'39''8
Cadettes (4km):
1- Rasoanantenaina Sabine (USA): 16'54''5
2-Crown Marie Thérèse (CABEVA) : 16'57''7
3- Rasoanoro Nantenaina Linah (3FB) : 18'22''0
Juniors (6km) :
1-Ramanantenasoa Marinah (4FA) : 25'59''9
2- Raherivelonirina Victoria (USA) : 27'35''8
3- Velondraivololonirina Chantal (TAF): 29'05''6
Seniors (8km) :
1- Raverohantamalala Jocelyne (COSPN) : 35'23''3
2-Raherimalala Oliniaina Rinah (3FB) : 35'30''8
3- Harisoa Emma (CABEVA) : 36'42''3
Hommes
Minimes (4km) :
1- Randrianandrasana Avotriniaina (COSFA) : 15'37''8
Cadets (5km):
2- Randriambolatiana Fenosoa (CABEVA): 18'55''8
3- Rakotozafy Jean Noelson (COSFA): 19'05''4
Juniors (8km):
1- Rabenitany Hery Tija (CNAPS): 29'09''9
2- Rakotonirina Todisoa (CNAPS): 30'29''4
3- Andrianaivo Heritiana (3FB): 31'12''1
Seniors (12km):
1- Randrianarison Fabien (CABEVA): 41'55''3
2-Andriamparany Hajanirina (COSFA): 42'06''5
3- Ratelolahy Augustin (COSFA): 43'35''5
Sports 

5692midi-mg-006683-8772-28102008 Mbola tsy nisy fivoarany ...
Mpitsara voakenda
Mbola tsy nisy fivoarany ...
Nalefa teny amin'ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny fitoriana. Ilay mpitsara izay lasibatry ny herisetra mihitsy no nametraka izany. Saingy ny tena nahatalanjona ny maro dia tsy nisy fivoarany ny raharaha hatramin'ny omaly. Efa maro no niandry fa hiakatra eny amin'ny Fampanoavana ny dosie miaraka amin'ireo sinoa enina voakasika. Nefa dia tsy nisy nentina teny ireo na ny iray aza. Raha ny fantatra aza dia tsy nisy akory na ny indro alefa ho an'ny Fampanoavana aza. Toa midika izany fa mitady ho very an-javona ny fanadihadiana. Efa ny zoma teo no nitrangan'ny raharaha. Ny andron'iny ihany dia efa nipetraka ny fitoriana, izany hoe efa efatra andro omaly. Raha hiverenana kely dia nidiran'ireo sinoa tao amin'ny biraony I L.A, mpitsara mpanao famotorana, ary nokendaina rehefa tsy nahafa-po azy ireo ny fepetra noraisiny. Ny sasany nanendaka ny badge teny aminy, ny sasany nanakenda azy tamin'ny vozon'akanjony. Ary tsy vitan'izany aza, raha araka ny nahoraka tao amin'ny Fitsarana, fa mbola nisy sasany naka sary ny zava-nitranga koa. Asa, entina hideraderana angamba fa tsimatimanota izy ireo eto Madagasikara. Orinasa goavana eto amintsika no misy ireo sinoa voarohirohy ireo. Ary isan'ny tena indraindraina aza izy io noho ny hangezan'ny fampiasam-bolany eto amin'ny nosy. Tsapan'ireo angamba izany lanja izany ka nitarika azy ireo hatrany amin'ny fandikàna lalàna. Toa mampanontany tena hoe asa mihitsy izay tena mba fiheveran'ny sasany ity nosintsika ity...
D.R 


5692midi-mg-006684-8773-28102008 Naratra mafy ny mpiambina
Asan-jiolahy
Naratra mafy ny mpiambina
Tamin'ny alahady alina teo dia tonga nandroba tao amin'ny tokantrano iray ny bandy miisa enina. Tanana mifefy ity tanana ity ary aty amin'ny lafiny ilany misy apetany. Avy eo ireo jiolahy ireo no nitsotsorika nidina avy amin'ny tendrombohitra. Nivantana teny amin'ny garazy ry zalahy ireto, araka ny fantatra, ary nohadiany ny rindrina. Rehefa tafiditra tao anefa izy ireo dia tsy nahita na inona na inona. Sorena tamin'izany ry zalahy koa dia nandeha tany amin'ny tranon'ny mpiambina indray. Tsy tao an-trano ity farany ity fa ny vadiny sy ny zanany efatra no tratran'ireo mpandroba tao. Tafaverina haingana ihany anefa ity mpiambina ity ka raikitra ny fifanjevoana. Ireo mpangalatra, andaniny, nitondra antsy sy sabatra ary barre à mine. Ilay mpiambina kosa,ankilany, nanana vy teny aminy. Sendra ny be noho ny vitsy anefa ka dia naratra mafy izy. Ren'ilay ramatoa tompon-trano izany rehetra izany. Nijery avy teo amin'ny varavarankely izy ary nitsoka sifile. Raha vao nahare izany ireo jiolahy dia rifatra nandositra.



5692midi-mg-006685-8774-28102008 Tobin'ny zandary notafihin'ny jiolahy
MADIROVALO. Jiolahy iray maty, zandary iray naratra nandritra ny fifandonana.
Tobin'ny zandary notafihin'ny jiolahy
Jiolahy iray maty ary zandary iray naratra. Io no vokatry ny fanafihana nataon'ny jiolahy maromaro ny tobin'ny zandary iray tany Madirovalo. Notafihin'ny an-dian-jiolahy maromaro mirongo fiadiana mantsy ny paositry ny zandary tao Beseva, ao Madirovalo- any Ambato Boéni, ny antoandron'ny sabotsy teo tokony ho tamin'ny 12ora. Roalahy ireo zandary niambina birao tao no sendra ireo mpanafika. Nandrahona avy hatrany an'ireo roalahy tao anaty birao ireo mpanafika. Tsy nanaiky lembenana anefa ireo zandary fa nanohitra sy niaro tena ka raikitra ny fifanjevoana sy ny fifampitifirana. Vokany, naratra mafy noho ny daroka nahazo azy ilay zandary iray, maty voatifitra kosa ny iray tamin'ireo mpanafika. Nirifatra nandositra avy hatrany ireo mpanafika raha vao nahita ilay namany voatifitra. Ireo zandary kosa nampandre ireo namany. Tonga tany an-toerana ny zandary maromaro nanome tanàna ireo namany. Eo am-pikarohana ireo mpanafika ry zareo amin'izao fotoana izao. Hatreto aloha, tsy mbola nisy ny olona ahiahiana na voasambotra.
Tsy mbola fantatra mazava koa izay tena nokasain'ireto jiolahy nanafika ireto na hanao valifaty na koa haka fitaovam-piadiana.
Fomba iray vaovao hoentina hakana fitaovam-piadian indray ity fanafihana tobin'ny zandary na polisy ity. Vao tsy ela akory izay no nisian'ny fanafihana tobin'ny zandary tany Farahtsiho, izay nahafatesana zandary iray mihitsy. Toy izany koa ilay tetsy Antsalovana, nanafihan'ny jiolahy ny paositry ny polisy ka nahaverezana basy roa sy nahafatesana olona roa. Mbola tsy nisy tohiny moa hatramin'izao ity raharaha ity.

Lire aussi - Mpitsara voakenda : Mbola tsy nisy fivoarany... - Asan-jiolahy : Naratra mafy ny mpiambina 


5720midi-mg-006715-8805-29102008 Tafakatra 7 ny isan'ny maty
Tany nihotsaka. Nananosarotra ny fikarohana ireo niharan-doza. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny tomponandraiki-panjakana.
Tafakatra 7 ny isan'ny maty
Tafakatra 7 amin'izao fotoana izao ny isan'ireo olona maty tamin'ny fihotsahan'ny tany niseho tao Antsoatany - Antsirabe. Nahatratra 11 ny isan'ireo mpiasa nihotsahan'ny tany tao, ka ny roa afakomaly ihany dia tafavoaka tao saingy rehefa tonga tany amin'ny hopitaly dia tapitra ny ainy. Ny sivy ambiny kosa omaly vao tafavoaka. Nananosarotra tokoa ny fakana azy ireo tao ary nilana fitaovana manokana mihitsy. Tamin'ireo olona sivy tafavoaka tao dia maty ihany koa ny 5, ny efatra sisa naratra mafy. Manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitalin'Antsirabe izy ireo amin'izao fotoana izao. Tonga nijery ny zava-nisy tany an-toerana ny tomponandraiki-panjakana. Delegasiona izay notarihin'ny Minisitra Botozaza Pierrot sy ny Minisitra Désiré Rasolofomanana. Nanome fanampiana ny fianakavian'ireo niharam-boina izy ireo ary nanome toromarika ny tomponandraikitra ao amin'ity toerana nisehoan'ny loza ity.
Raha tsahivina dia ny alatsinainy teo, tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro no nisehoan'ity loza ity. Mpiasa ao amina toerana fitrandrahana vato ao Antsoatany -Antsirabe II ireto niharan-doza ireto. Miisa 19 izy ireo no niasa teo. Napoaka tamin'ny dinamita ilay vato, ka ora roa taty aoriana no nanomboka nitsofoka tao ireo mpiasa. Asa anefa izay niseho fa nihotsaka ireo vatobe tao ambonin'ireo mpiasa ka nanindry azy ireo tao. Ny 11 tamin'izy ireo no tavela tao, ka ny 7 izao namoy ny ainy izao, fa ny efatra kosa avotra ary efa eny amin'ny hopitaly.
Aina R./Lova 


5720midi-mg-006716-8806-29102008 Roa lahy nahatratrarana basy vita gasy
ANJOZOROBE
Roa lahy nahatratrarana basy vita gasy
Basy tefy gasy, antsy be ary poignard iray no tratran'ny zandary teny amin'i Zefa sy ny namany iray. Nambarany anefa fa basy hitany teny an-dlalana io. Teo am-panaovana famotorana anefa dia nampiahiahy ny valintenin'izy ireo. Nisy fanafihan-dahalo tao Amparatanjona - Anjozorobe ny alin'ny 21 oktobra lasa teo. Niara-nientana anefa ny mponina ka nandositra ireo mpanafika. Nisy kara-panondro iray hita teny an-tsaha ny ampitso marainan'io, ka inoana fa an'ny iray tamin'ireo dahalo. Nikaroka azy ireo ny zandary ao Betatao, ka nahare fa tao Ambohinime, tanàna tsy lavitra an'Amparatanjona no misy azy ireo. Rehefa nosavaina ny sakaosy dia nahitana basy sy antsibe. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roa lahy ireo. Izao vokatra izao dia azo noho ny fampiharana ny ezaka vaovao Antilin'Analamanga izay natomboka ao amin'ny distrikan'Anjozorobe, ary mbola hanenika ny faritra Analamanga iray manontolo. Efa nisy sahady ny dahalo azo izay efa any am-ponja, ary omby am-polony no efa voaverina amin'ny tompony...



5720midi-mg-006717-8807-29102008 Jiolahy mirongo basy nanafika hotely
IVATO
Jiolahy mirongo basy nanafika hotely
Notafihina jiolahy enina mitondra basy sy sabatra ny hotely iray teny Ivato afakomaly alina. Nisy teratany vahiny maromaro Frantsay sy Italianina nisakafo tao tamin'io fotoana io. Avy hatrany dia norahonan'izy ireo ny tao an-trano ary notereny hanome ny vola sy ny entana sarobidy rehetra. Notereny hanome ny lakilen'ny coffre ihany koa ny tompon-trano. Noraofin'izy ireo ny vola rehetra, ny fakan-tsary ary ny findain'ireo vahiny ireo. Efa eo am-pikarohana ireto jiolahy ireto ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao.



5720midi-mg-006718-8808-29102008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Analalava. Zaza 5 taona maty an-drano. Ankizikely 5 taona mipetraka ao Antonibe - Analalava no maty an-drano ny 27 oktobra teo raha nandeha nilalao teny amoron-drano. Sady lalina ny rano nirobohany no tsy mahay milomano ihany koa izy ka izao izy maty an-drano izao.
 - Tsiroanomandidy. Fiara nanao taingimbe niharan-doza. Fiara Land Rover iray no niharan-doza ny 26 oktobra teo tamin'ny 10 ora antoandro teo amin'ny tetezan' i Kiranomena - Tsiroanomandidy. Tsy tafiditra ny vitesse ka nihemotra ilay fiara. Nanao taingimbe, nitondra olona 16 io fiara io ka naratra ny 8 tamin'ireo ary tsy maintsy nalefa notsaboina any amin'ny hopitalin'i Tsiroanomandidy.
 - Mandritsara. Nofirain'ilay adala tamin'ny antsy ny rainy. Tovolahy iray izay tsy dia salama saina loatra no nandratra ny rainy sy ny rahalahiny ny 24 oktobra lasa teo tany Sarovoara - Mandritsara. Nokapainy tamin'ny antsy izy ireo ary naratra mafy vokatr'izany. Nitolo-batana tany amin'ny biraon'ny zandary izy rehefa avy nikapa antsy ireo havany ireo satria hono matahotra ny hovonoin'ny olona.



5729midi-mg-006729-882-15012008 Ombay mitady
Ombay mitady
  Tamin'ny zoma lasa teo no nahitana farany an-dRabearivelo Faraniaina, 15 taona, mpianatra ao amin'ny sekoly Ambohijatovo Avaratra. Hatramin'izao dia tsy mbola fantatra izay toerana misy azy. Miangavy ireo rehetra mety mahalala vaovao mikasika azy ny ray aman-dreniny mba hampandre azy ireo na hiantso ny telefaonina 032 44 214 65.


5730midi-mg-006731-8821-30102008 Mpandraharaha mitory vondrom-pinoana
ADY TANY. Efa eny amin'ny Fitsarana ny raharaha. Vola amina miliara maro no voakasik'izy ity.
Mpandraharaha mitory vondrom-pinoana
Efa vita ny fifanaraham-barotra nefa dia mbola vitan'ireto zoky amam-panahy ihany ny nivadim-pitokisana. Toa izao ny fandehan'ny raharaha. Nanana hetaheta ny hanitatra ny foibeny ity vondrom-pinoana iray lehibe eto amin'ny firenena ka nitady hoenti-manana ho amin'izany. Tapaka ary ny hevitra fa hovarotany ny ampahan-taniny. Nifanaraka tamin'ny mpandraharaha iray izy ireo. Vita ara-dalàna ny taratasim-pifanarahana. Vetivety koa dia nahita mpividy ny tany ilay mpandraharaha, isan'izany ny masoivoho vahiny iray. Tsy nisy mihitsy ny olana hatreo. Nanomboka ary ny asa fanatsarana ilay tany. Teo ny fanalalahana ny làlana miditra ao sy ny fanomezana tambiny ireo izay mipetraka tsy ara-dalàna teo. Amina miliara no nihodina tao anatin'izany. Nivadika anefa ny rasa. Rehefa hitan'ilay vondrom-pinoana fa niova tanteraka ny taniny dia nivoatra nanaraka izany koa ny heviny. Saingy nivoatra tamin'ny...ratsy. Nodinganiny ilay mpandraharaha ary tonga dia ireo mpividy ny tany no nolazainy fa...tsy amidy indray izany. Tsy izay ihany fa mbola nampirisihin'ireo koa ireo izay tsy manan-kialofana hipetraka eo amin'ilay tany. Mazava ho azy, teraka ny savorovoro. Tsy vitan'izay maloto eo anatrehan'ny mpiara-miombona antoka aminy mantsy ilay mpandraharaha fa mbola very an-javony ihany koa ny volabe nampiasainy. Nitady fifampiraharahana ihany izy, mba farahafaratsiny haverina ny vola lany rehetra. Saingy nandamoaka izany. Izany toe-javatra izany no nanosika azy hitondra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana amin'izao. Mahakivy ny zava-misy ary tsy nampoizina. Iza moa no nanam-po fa Raiamandreny amam-panahy no nanao fihetsika toa izao? hoy ilay mpandraharaha manazava. Tantara mitohy...
D.R 


5730midi-mg-006732-8822-30102008 Mpitsara voaendaka !
Andavamamba
Mpitsara voaendaka !
Tao anatin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana no nanararaotra nanatontosa ny asaratsiny ireo mpanendaka. Nosintonin'ireto farany ny paoketra teny aminy raha mbola variana namily fiara izy. Tsy hita izay natao teo satria efa-dahy no indray nanatontosa izany. Poa toa izay rahateo izy ireo dia nanjavona tany anaty elakelan-trano tany. Nametraka fitoriana teo anivon'ny zandarimaria ilay mpitsara, izay raha araka ny fantatra dia miasa eny amin'ny ministera etsy Faravohitra. Nisy ny iray voasambotra. Io indray avy eo no nahafantarana ireo namany telo hafa izay mbola tadiavina aloha hatramin'izao. Natolotra ny Fampanoavana omaly io mpangalatra io ary nidoboka am-ponja vonjimaika, mandra-piandry ny fitsarana azy. Tsy dia zava-baovao intsony ny asan-jiolahy eny Andavamamba. Toa efa zary ho andavanandrom-piaiainan'ny olona eny aza izany, hany ka tsy dia taitra intsony ny maro raha maheno vaky trano na hala-botry. Mitovy amin'izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana izay tsikaritra fa miala andraikitra raha vao io kartie mafàna io no resahina. Porofon'izany, zara raha misy ny fisafoana eny, amin'ny alina. Nefa dia fantatra mazava fa maro amin'ny olon-dratsy no mipoitra avy ao Andavamamba. Mazava ho azy raha nanjaka ary mbola manjaka ny jiolahy eny amin'iny faritra iny. 
D.R 
Lire aussi - Antsirabe : Lehilahy iray maty vaky loha - Antsiranana : Omby very hita tao anaty villa - Toliara II. : Raikitra ny tifitifitra ! - Tapatapany 


5730midi-mg-006733-8823-30102008 Tapatapany
Tapatapany
. Mbola tsy nisy tohiny hatrany ny momba ilay raharaha fikasihan-tànana mpitsara nataon'ny sinoa miisa enina. Efa tamin'ny zoma teo, raha hiverenana kely, no nitranga izany saingy hatramin'izao dia tsy nisy ny fanolorana eo anivon'ny Fampanoavana ireo voampanga.
. Gidragidra teny Anjanamasina omaly. Ny tompon'andraikitra nivory, ny ankizy nifampidaroka avy atsy ambadika. Nisy ny zaza iray naratra mafy.
. Mitohy anio ny fitsarana ireo olona 15 voarohirohy ho namono ilay mpivarotra volamena tetsy Ambohijatovo, tamin'ny jiona 1997.
Nangonin'I D.R


5736midi-mg-006740-883-15012008 Trano telo kilan'ny afo.
Nosy Varika.
Trano telo kilan'ny afo.
  Trano telo no indray kilan'ny afo tany Tsararivotra Nosy Varika tamin'ny zoma lasa teo. Tokony ho tany amin'ny 1 ora maraina tany no nidedaka ny trano iray. Vetivety foana izany dia niampita tamin'ilay teo ankilany ary farany nahazo ny fahatelo. Haingana ihany no namonoan'ny olona ilay afo fa raha tsy izany dia ho zava-doza no niseho. Toarena somary be rivotra no nisy ireo trano nirehitra. Jiro mandeha amin'ny pétrole no nipoiran'ny afo tao amin'ilay trano voalohany. Sondrian-tory ny tompon-trano ka tsy nahamarika mihitsy ny firehetana. Araka ny efa voalaza, efa nijoalajola ny lela afo vao taitra ny iray tanàna. Ankoatra ny famonoana ny afo dia niezaka namoaka ny entana ny manodidina. Fa ny tena nampalahelo dia nanjaka tanteraka ny mpangalatra nanararaotra ny fahavoazan'ny sasany. Ny alina maizina rahateo. Voalazan'ny vaovao fa maro ny zavatr'olona nisy nibata tamin'io alina io. Tena nampalahelo koa ny nahazo ny mpianatra iray. Tsy tao an-trano izy fa mbola tany ambanivohitra. Rehefa niakatra hamonjy fianarana anefa izy dia akory ny hatairany nahita ny tranony sy ny entana rehetra tao anatiny potiky ny afo. HAR


5740midi-mg-006745-8834-30102008 Lehilahy iray maty vaky loha
Antsirabe
Lehilahy iray maty vaky loha
Omaly maraina tokony ho tamin'ny 5 ora tany ho any, hitan'ny olona handeha hiantsena nivalapatra teo amin'ny arabe anoloan'ny tiribonaly ny fatin-dehilahy iray tokony ho 38 taona. Potika tanteraka ny lohany ary nivoaka mihitsy aza ny atidohany. Ny resaka nifanaovan'ny olona no nahalalana fa voadonan'ny fiara izy io. Tsy nijanona anefa izay fiara nandona azy. Ny olona sasany nanampy nanao hoe, nisy fiara nirimorimo mafy nandeha tamin'iny lalana iny vao maraina be.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin'ny BMH nizaha ny zava-misy. Rehefa nojerena ny tany am-paosin'ilay namoy ny ainy dia nahitana taratasy filazana fa very ny karapanondrony. Tamin'izany no nahalalana ny mombamomba azy. Mpamily fiara no raharahany. Toly Marcel no anarany ary teraka tany Nosy Be izy. Teny Andranomanalina Antananarivo izy no nonina.
Lova 


5740midi-mg-006746-8835-30102008 Omby very hita tao anaty villa
Antsiranana
Omby very hita tao anaty villa
Ny alin'ny 27 Oktobra dia  nisy nangalatra ny omby 2, an'Atoa Saony Tsivitany, tao Antanimitarana Diego II. Nanara-dia ny tompony sy ny fokonolona ka very teo an-tampon-tanànan'i Diego, akaikin'ny caserne, teo amin'ny vavahadin'ny villa iray ny dian'omby. Niandry teo ny mpanara-dia ka ny maraina vao niantso ny zandary. Tonga teo an-toerana ny lehiben'ny zandary tao Diego sy ny namany ka nanao ny fizahana niaraka tamin'ny Sefo fokontany. Tratra tao amin'ity villa ity ny omby roa, saingy ny iray efa maty fa ny iray kosa no tratra velona. Nisy fiara roa koa hita tao; clio iray mbola tsy nisy nanohinana sy P 505 efa vatany sisa.
 Ity villa ity dia vazaha manam-bady gasy no tompony, saingy any ivelany any ry zareo amin'izao fotoana izao. Ny rahavavin'ilay madama no mitazona ny fanalahidy. Mpiambina sy ny vadiny no mipetraka ao amin'io villa io. Nitsoaka avy hatrany ilay gardien raha vao tonga ny mpanara-dia fa ny vadiny kosa no voasambotra. Tonga teo ihany koa ny Polisy avy ao an-toerana tamin'io fotoana io, saingy araka ny fifanaraham-piaraha-miasa dia izay tonga aloha no misahana ny raharaha amin'ny tranga toy itony miseho eo an-tanan-dehibe, ka dia ny borogady Antsiranana ville ( Camp-Pardes) no manao ny fanadihadiana. Olona 08 no efa voasambotra, lehilahy 5 ary vehivavy 3. ny omby iray dia efa naverina amin'ny tompony.



5740midi-mg-006747-8836-30102008 Raikitra ny tifitifitra !
Toliara II
Raikitra ny tifitifitra !
Nirefodrefotra ny basy. Nisy mihitsy aza ny olon-tsotra naratra mafy rehefa niantefan'izany. Afak'omaly no nisehoan'ity tranga ity nandritra ny fanafihan'ny jiolahy maromaro ny tanàna iray antsoina hoe Andamasiny, ao amin'ny kaominina Mitsinjo, tsy lavitra akory ny tranon'ny Distrika Atsimo-Andrefana. Am-polony izy ireo ary mitam-piadiana, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Vao niditra tao amin'ilay tanàna ireo dia nanapoaka basy avy hatrany. Nisy ny taitra ka nivoaka mba hijery ny zava-misy. Isan'izany ny lehilahy iray antsoina hoe Tsitohaina izay nidiran'ny bala roa. Ny iray teo amin'ny tanany ary ny faharoa kosa teo amin'ny tratrany, raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana hatrany. Mba avotra soa aman-tsara ihany anefa io farany rehefa tonga ara-potoana teny amin'ny toeram-pitsaboana. Fantatra fa omby miisa 40 no indray very tamin'ity fanafihan-dahalo ity. Vala telo no nandalovan'ireo olon-dratsy ka nahafahany nanatontosa ny asaratsiny. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ny pôlisy avy ao amin'ny FIP any an-toerana. Mbola mitohy amin'izao fotoana iazo ny fanarahan-dia ataon'ireo mpitandro ny filaminana ireo. Andrasana izay mety ho tohin'ity raharaha ity...
Bems 


5748midi-mg-006758-8847-31102008 Olona iray maty, iray hafa tsy mahatsiaro tena
Lozam-pifamoivoizana
Olona iray maty, iray hafa tsy mahatsiaro tena
Omaly maraina be tokony ho tamin'ny 2 ora, nivadika ambony ambany ny fiarabe iray nitondra simenitra sy enta-madinika isan-karazany. Vokatr'izany, maty teo noho eo ny mpanampy an'ilay mpamily. Telo izy ireo no tao anatin'ilay fiara, naratra mafy ihany koa ny roa ka anisan'izany io saofera io. Voalaza fa tsy mbola mahatsiaro tena ny iray tamin'izy ireo hatramin'izao.
Valo kilometatra tsy hiditra ny tanànan'Ankaramena amin'iny lalam-pirenena faha-7 iny no nisehoan'ny loza. Araka ny vaovao voaray, dia nisy fahasimbana ny frein-n'ilay kamiao ka tsy voafehin'ny mpamily intsony ilay fiara. Nidina tamin'ny andrintany aloha. Rehefa avy eo nivadika ambony ambany.
Nandray ny andraikiny ny mponina tamin'ny tanàna tsy lavitra teo nitondra vonjy ho an'ireo naratra. Nampidirina ao amin'ny trano fitsaboana ao Ankaramena izy ireo ary ry masera no misahana ny fitsaboana azy ireo. Ny fatin'ilay mpamily mpanampy kosa nalefa ao amin'ny tranom-paty any an-toerana ihany.



5748midi-mg-006759-8848-31102008 NULL
Tapatapany
 - Famonoana an'i Jamal Khalifa. Niakatra fitsarana tany Ihosy tamin'ny alatsinainy teo ilay raharaha nahafaty ilay teratany Saodianina antsoina hoe Jamal Khalifa. Olona fito no voarohirohy tamin'izany ary efa notanana am-ponja vonjimaika izy ireo. Rehefa nivoaka ny didin'ny tribonaly dia nohafahana noho ny fisalasalana avokoa ireto olona ireto.
 - Zaza roa kilan'ny afo.  Zaza roa no fantatra fa may kilan'ny afo tany amin'ny faritr'i SAVA, herinandro lasa izay. Niaraka tamin'ny reniny nahandro sakafon-kisoa izy ireo. Efa hariva ihany anefa tamin'izay ka resin-tory tao amin'ilay trano kely nikarakarana ny sakafo ireto ankizy ireto. Navelan'ny reniny teo izy ireo. Ny olona taty ivelany no nahita ny afo efa niakatra be. Efa tsy nisy azo natao intsony anefa fa dia nitazana fotsiny ny rehetra. Ilay trano koa vita tamin'ny zavatra mora mirehitra. Izay vao taitra ny reniny ary dia velom-panenenana mafy tokoa.
 - 10 taona ny Chorale Barea. Hankalazaina amin'ny alahady faha-2 novambra izao ny faha-10 taonan'ny antoko mpihira Barea ao amin'ny fiangonana Ambohitsoa Fibebahana. Hizara roa ny fankalazana. Ny maraina dia fanokanana ny fanamiana vaovao sy fametrahana tsangambato. Ny hariva kosa dia hisy antsam-panahy.
 - Kisoa 21 kilan'ny afo. Nirehitra ny tranon-kisoa iray tany Ambohidravaka any Antsirabe. Vokatr'izany, kisoa miisa 21 no kilan'ny afo tao. Tokony ho tamin'ny 11 ora alina no nirehitra ity trano ity. Ireo biby efa nikiakiaka no henon'ny tompony. Nivoaka ry zareo ka ny afo efa nijoalajoala no hitany.
 - Mpianatra iray maty. Tamin'ny faha-27 oktobra teo, rendrika ny lakana nandehan'ireo mpianatra miisa roapolo tany amin'ny reniranon'i Faraony any Manakara. Vokatr'izany, mpianatra iray nonina tany Vohimasina-Atsimo no namoy ny ainy. Ireo sisa ambiny kosa afaka nanavotra aina.
 - Saofera mamo nandona tranon'olona. Nirimorimo mafy avy any ny fiara iray nentin'ny mpamily izay voalaza fa mamo. Tsy voafehiny intsony ny familiana koa dia nifatratra tany amin'ny tranon'olona ilay fiara. Vokatr'izany, olona telo no naratra, ny roa tao anaty trano ary ny iray tany ivelany. Vao niseho ny loza dia lasa nandositra ilay mpamily. Tany amin'ny faritr'i Tsaratanàna no nitrangan'ity loza ity.
Nangonin'I r.s./Lova 


5748midi-mg-006760-8849-31102008 Mpanefy firavaka nisy namono teny Ambohijatovo
Fitsarana. Samy nandà ho tsy nanomo avokoa ireo olona 10 voarohirohy tamin'ity raharaha ity.
Mpanefy firavaka nisy namono teny Ambohijatovo
Niakatra teny amin'ny fitsarana tamin'ny alarobia sy omaly alakamisy ny raharaha nahafaty ilay mpanefy volamena tao amin'ny trano fiasany teny Ambohijatovo. Olona folo no voarohirohy tamin'izany. Vao hita ny fatin'ity olona ity dia nandeha avy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana isan-karazany nataon'ny mpitandro ny filaminana. Rehefa izany dia nisy ny fisamborana natao. Rehefa nandalo teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha dia notazonina am-ponja vonjimaika ireo olona voarohirohy ireo, lehilahy enina ary vehivavy telo. Araka ny fantatra, dia misy rohim-pihavanana eo amin'izy ireo. Tamin'ny fotoam-pitsarana dia tonga teny Anosy avokoa izy ireo. Samy tsy nisy nanaiky ho nahavanona ny loza anefa izy ireo na koa ho mahalala izay tena meloka tamin'ity zavatra ity. Ho an'ny mpitsara dia anisan'ny mpiray tsikombakomba izy ireo tamin'ny famonoana an'io mpanefy volamena io.
Tsy hita ny peratra volamena. Ny fianakavain'ilay namoy ny ainy no mpitory amin'ity raharaha ity. Ankoatra izany, nohenoina ihany koa ny mpiasa ao amin'ny tranom-paty iray. Voalaza mantsy fa nisy peratra lehibe iray teny amin'ny rantsan-tanan'ilay maty nefa tsy hita izay nalehan'izany.
Efa tena alina vao vita ny fitsarana an'ireo olona ireo. Marihina fa olona 17 no tonga teny amin'ny fitsarana tamin'ny alarobia lasa teo. Ny omaly alakamisy, 14 izy ireo.
Nivoaka ny didy ka vehivavy iray no nosaziana 5 taona hanao asa an-terivozona. Ny enina kosa nahazo fahafahana madiodio. Ny ambiny nohafahana noho ny fisalasalana.

Lire aussi - Tapatapany 


5748midi-mg-006761-885-15012008  Mpianatra  anisan'ireo nanafika ilay ex-député
 Mpianatra  anisan'ireo nanafika ilay ex-député
  Tamin'ny talata lasa teo no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava eny Tsaralalàna ny jiolahy raindahiny iray. Mbola mpianatra izy io ary  mpianatra  rahateo no fiantsoan'ny jiolahy namany azy. Anisan'ny nanafika ilay ex-député avy any Tsriroanomandidy teny Mahabo Andoharanofotsy tamin'ny faha-7 jona 2007 ity ranamana ity. Tamin'ny fanafihana nataon-dry zalahy dia maro tokoa ny entana lasany. Naratra ihany koa ilay olomboafidy sy ny vadiny tamin'izay fotoana izay. Valo izy ireo no niara-nanatanteraka ny fandrobana, Rasta, Fano, Mamy, Feno, Solo Kely, Solofo Lavabe, Rabetsy ary Mpianatra. Ny dimy amin'izy ireo efa voasambotra taloha dia efa nalefa eny Tsiafahy. Ny roa kosa mbola karohina amin'izao fotoana izao dia i Feno sy Solofo Lavabe. Tafaporitsaka izy roalahy ireo tamin'ny fisamborana natao. Renseignement azon'ny polisy no nahazoana nisambotra an'i Mpianatra. Rehefa nofotorana ny anao lahy dia niaiky ny heloka vitany. Tratra tany aminy ny unité central iray. Tany amin'ireo namany hafa kosa no nahitana ny fiara 4X4 Isuzu iray, vola 100 tapitrisa, kiraro roa sakaosy, finday roa ary lamba maro isan-karazany. Rehefa mandeha manafika sy mandroba ry zalahy dia voalaza fa mitondra basy sy fahana, antsy lehibe sy bare à pince. Ary dia ampiasainy tokoa izany. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ity voasambotra tamin'ny talata ity. Andian-jiolahy iray indray izany iny izao no rava. Na izany aza anefa, mbola misy andiany maro mampihorohoro ny tanàna indrindra amin'ny asa fanendahana eny an-dalambe rehetra eny.
r.s.


5785midi-mg-006800-8890-03112008 Nanitsaka zaza dimy, maty ny iray
Itaosy. Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, na ny marimarina kokoa noho ny tsy fitandreman'ny mpamily. Ankizivavy fito taona no maty vokatr'izany.
Nanitsaka zaza dimy, maty ny iray
Amin'ny andro antoandro be nanahary no nitrangan'ity lozam-pifamoivoizana ity, tetsy Ambaniala Itaosy. Tsy fantatra izay tena nanjo ny mpamily ity fiarakely iray fa avy hatrany dia tany amin'ny  trottoir  ilay fiara no nifatratra. Sisin-dalana izay nisy zazakely dimy raha araka ny fanamarihan'ireo olona nanatri-maso ny loza. Indray voahitsaka tao ireo. Ny iray maty tsy tra-drano ary ny efatra kosa mbola any amin'ny hopitaly hatramin'izao. Maro ireo olona nanontany tena hoe mba iza loatra ny mpamily nahavanon-doza toy izao ? Zazavavikely vao fito taona ilay maty tsy tra-drano. Nandeha mafy ny fiara ary nisongona fiara iray teo anoloany tao anatin'ny lalana tery. Nisy iray hafa niakatra anefa mifanohitra taminy.
Fitsaram-bahoaka. Niala an'io indrindra izy no namantana tany amin'ny sisin-dalana nisy ireo ankizy, araka ny vaovao azonay teny an-toerana. Nisy olona sasany kosa nanamafy fa nisy fofon-toaka ilay mpamily izay nitsoaka teny amin'ny tobin'ny mpitandro ny filaminana raha vao nitranga ny loza. Mazava loatra fa noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka. Vaky ny pare-brise-n'ilay fiara ary simba ihany koa ny lohany. Potika tanteraka ihany koa ilay fefy nifatrarany. Izany rehetra izany no manaporofo fa tena mafy ny fifandonana. Entanina hatrany ny mpamily mba tsy handeha mafy rehefa anaty tanàna. Indrindra amin'izao vanim-potoana akaiky fety izao ka mahabetsaka ny olona sy ny fiara eny an-dalana... 
D.R 
Lire aussi - Antsirabe : Notsindroniny tamin'ny antsy ny kibom-badiny 


5786midi-mg-006802-8892-03112008 Notsindroniny tamin'ny antsy ny kibom-badiny
Antsirabe
Notsindroniny tamin'ny antsy ny kibom-badiny
Dian'antsy efatra no teny amin'ny vatan'ilay ramatoa. Ny iray teo amin'ny kibony ary voalaza fa nivoaka mihitsy ny tsinainy. Tamin'ny alin'ny zoma hifoha sabotsy no niseho ity zavatra ity. Araka ny vaovao, niady izy mivady ireo. Tokony ho tamin'ny 2 ora latsaka fahefany maraina tany, nahare antso vonjeo nataon'ilay vehivavy ny manodidina teny Mahazoarivo Antsirabe. Nijanona anefa ny antso afaka fotoana fohy. Hay notampenan'ilay vadiny lamba ny vavan'ilay ramatoa. Nahita hafetsena ihany anefa ravehivavy hamitahana ilay vadiny. Farany nanaiky hitondra azy any amin'ny hopitaly ihany. Rehefa tonga tany, nanontany ny dokotera ary dia nolazain-dramatoa avokoa ny zavatra nahazo azy. Tsy maintsy nanapahana ny tsinain'ity ramatoa ity. Ankoatra izany, voan'ny antsy koa ny tratrany.
Taorian'izany dia nitory an'ilay rangahy ny fianakavian-dravehivavy. Efa voatazona any amin'ny polisy izy amin'izao fotoana izao. Samy mbola tanora avokoa izy mivady ireo ary efa niteraka iray.
Lova 


5809midi-mg-006827-8917-04112008 Mpandroba mirongo basy sy sabatra
Asan-jiolahy
Mpandroba mirongo basy sy sabatra
Tratran'ny fokonolona ihany rehefa avy nanafika tranona Sinoa teny Betongolo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Hajanirina.
Tamin'ny sabotsy faha-1 novambra lasa teo tokony ho tamin'ny 2 ora sy sasany maraina, nisy namaky ny trano fonenana Sinoa iray. Efatra izy ireo no indray tafiditra tao an-trano tany ambony rihana. Tsy nisy nahare ny nidiran'ireo mpandroba ny tompon-trano. Efa voahambana basy ry zareo vao taitra. Afaka niantso vonjy ihany anefa ilay Sinoa ka nivoaka daholo ny mpifanolo-bodirindrina taminy. Tamin'izay, nanapoaka basy ny Sinoa hafa mipetraka tsy lavitra ireo voatafika. Raha vao nandre izany ireo olon-dratsy dia lasa nandositra. Efa azony kosa anefa ny vola malagasy sy vola sinoa tao an-trano izay mitentina hatrany amin'ny 800 000 Ariary. Lasan'izy ireo koa ny basin'ilay Sinoa marika MAB 7,65.
Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra ny iray tamin-dry zalahy dia i Hajanirina izany. Lehilahy 31 taona, manambady niteraka roa ary monina eny Ambatobe.
Ny polisy avy ao amin'ny Boriborintany faha-3 no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana. Nahatratrarana pince coupante lehibe roa tany aminy, niampy lampe de poche iray, scotch lehibe iray, tournevis maromaro ary sabatra.
Ivato. Saika isan'andro no andrenesana fanafihan-jiolahy eto amintsika. Vao tamin'ny zoma no nisy nanafika ny hotely iray teny amin'iny faritra iny. Teratany Afrikanina roa no voa tamin'izany. Niditra an-keriny tao amin'ny efitra izy ireo ka nitolona ireo vahiny ireo. Vazaha iray tao amin'ny efitra ilany no nampandre ny olona tao amin'ny réception. Natao avy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy ka tratra teny Mamory Ivato ny iray.

Lire aussi - Morafeno Mananjary : Mpihady volamena tototry ny tany 


5809midi-mg-006828-8918-04112008 Tratra omaly i Bary, ilay namono azy
Raharaha Axel Schulz
Tratra omaly i Bary, ilay namono azy
Omaly, tetsy Andavamamba no saron'ny pôlisy misahana ny heloka bevava (B.C) i Bary. Hatreto aloha dia io farany no tompon'antoka tamin'ny famonoana amin'ny fomba feno habibiana an'ilay teratany Alemà Axel Schulz. Novonoina ho faty tao an-tranony ihany dia nodorana tao anaty dabam-pako tetsy Faravohitra avy eo, raha hiverenana kely. Manodidina ny tamin'ny 11 ora antoandro, raha saika hanatitra taratasy ho an'ny mamany izay miasa ao amin'ny trano fisakafoana iray etsy Andavamamba, i Bary no sarona. Efa notazonin'ny pôlisy tao Anosy ny mamany. Efa nampilazana ihany koa ny tompon'ilay trano fisakafoana mba hiantso ny pôlisy raha sendra mahita an'i Bary. Hita tokoa io farany nihaodihaody teo amin'ny manodidina. Somary niafinafina izy nefa tsy nilaozan'izay tsy nisy nahita. Tsy ela dia tonga teo ny pôlisy nisambotra azy. Ny andron'iny ihany dia efa nikatroka ny pôlisy tamin'ny fakana am-bavany an'i Bary, 21 taona. Tsahivina fa efa sarona ihany koa ireo nanampy azy tamin'ny fanariana ny razana rehefa avy novonoina. Isan'izany i Rado sy i Tita izay isan'ny nibata sy nanampy azy tamin'ny fanariana ny razana tetsy Faravohitra. Teo ihany koa ny vehivavy iray izay nivarotra ny volamena teny amin'ny razana. Efa samy any Antanimora izy telo ireo miandry ny fitsarana azy. Nidina teto an-toerana mihitsy ny kaomisera alemà roa manam-pahaizana momba ny heloka bevava nanao ny fanadihadiana. Mihamazava avokoa araka izany ny momba ity raharaha ity. Saingy mbola mipetraka ny hoe: inona no tena antony namonoana azy?
r.s 


5809midi-mg-006829-8919-04112008 Mpihady volamena tototry ny tany
Morafeno Mananjary
Mpihady volamena tototry ny tany
 Efa ho roa andro izay no tsy tafakatra avy ao anaty lavaka ny fatin'ny tovolahy iray izay tokony ho 25 taona eo ho eo , araka ny fitantaran'ny lehilahy iray avy any an-toerana. Ny alarobia 28 oktobra teo no nitrangan'izany tany Mahavelona Morafeno. Lavaka efa nohadiana volamena efa ela izy io ary dia izao mbola nidiran'ity tovolahy ity izao indray, koa raha ny hahazo vovo-bolamena no tanjony dia indrisy fa rehefa tafidina tany amin'ny 17 metatra izy dia nihotsaka ny tany. Noho ny fitangoronan'ny olona tamin'ny fotoana namonjena azy dia vao mainka nohotsaka ny tany sy ny fasika... Niezaka nanavotra azy ihany ny olona saingy tsy tana ny ainy. Tsara ny manamarika fa isan'ny kaominina manana volamena tsara kalitao tokoa ny amin'iny faritra iny. Raha ny nambaran'ny mponina dia olona efatra no efa maty namoy ny ainy hatramin'ny nisokafan'ity kariera any Morafeno ity.
HAR 


5858midi-mg-006881-8968-05112008 Lehilahy hita faty tany anaty elakelan-trano
Anjanahary. Matetika no misy olona voaendaka amin'iny faritra iny. Vao maizimaizina ny andro dia matahotra ny mponina.
Lehilahy hita faty tany anaty elakelan-trano
Omaly maraina be tokony ho tany amin'ny 5 ora tany, olona nivoaka hividy mofo no nahita fatin-dehilahy iray teo amin'ny elakelan-trano tsy lavitra loatra ny EPP Anjanahary. Nisy ratra be teo amin'ny lohany. Tsy mikiraro intsony izy. Mbola teny aminy avokoa anefa ny akanjony. Hita nitsilany be nibahana ny lalana ny razana. Tsy fantatra na nianjera izy na nisy namono. Efa tonga teny an-toerana ny avy ao amin'ny BC nizaha ny fandehan-javatra.
Tamin'ny resaka nifanaovanay tamin'ny mponina manodidina dia mipetraka tsy lavitra teo amin'ny toerana nahitana ny fatiny ity lehilahy ity. 31 taona izy, manana zanaka roa ary mipetraka miaraka amin'ny reniny. Efa nisara-panambadiana. Mivarotra ireny fitaovana efa niasa ireny no antom-pivelomany.
Tahotra. Fotoana efa elaela ihany izay, niaina tao anatin'ny tahotra ny mponina amin'iny faritra Anjanahary iny. Tsy eny amin'ny faritra nahitana ny razana ihany fa amin'ny toerana maro hafa koa. Raha vao manomboka ho maizina dia voalaza fa toa hoe misy andian-jatovo izany sahy manendaka fotsiny izao. Ny filazan'ny olona ihany koa no ilazana fa tsy olona avy any ivelany no manao izany fa ny eny an-toerana ihany. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha amin'izao fotoana izao ka avy amin'izany no tsy maintsy hahafantarana izay tena marina ny amin'ny asa fanendahana miseho.
Etsy andaniny koa anefa dia voalaza fa misy bandy avy ivelany manendaka. Tamin'ity taona ity dia  maromaro ihany ny olona niharan'izany. Ny volamena entin'ireny olona ireny no tea tsiriritin'ireo jiolahy. Anjanahary Andrefana, Afovoany ary Atsinanana. Ireo handeha hamonjy asa maraina no tena lasibatra ary ny ao anaty fiara indrindra indrindra. Mirongo basy hatrany ireo jioalahy, na koa mitondra sabatra. Tsy afaka manohitra mihitsy izay sendra an-dry zalahy fa dia manaiky izay lazainy. Nisy ihany anefa ny nanao sahisahy, sahala ilay tovolahy teny amin'ny faritr'i Manjakaray. Na dia nanana vatana tomady aza anefa izy dia tsy afaka nanoatra teo anatrehan'ny fitaovampiadiana sy ny tampoka.



5858midi-mg-006882-8969-05112008 Biby 388 saika hahondrana an-tsokosoko
Trafika. Nafenina tao anaty akanjo, tao anaty boaritra ireo biby ireo. Sarona teny Ivato ihany anefa.
Biby 388 saika hahondrana an-tsokosoko
Biby 388 isa no nokasain'ny  tovolahy 29 taona, teratany afrikanina tatsimo, haondrana an-tsokosoko, ny talata 04 novambra 2008. Tao anatin'ny entany sy tany anatin'ny akanjony no nahitana ireo biby avy eto Madagasikara ireo. Baoritra taratasy sy boaty plastika no nametrahany ireo biby; ny sasany kosa dia nataony tao anaty blouson. Ny scanner teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato no nahitan'ny tomponandraikitra avy amin'ny fadin-tseranana ireo biby. Avy hatrany dia nampiantso ireo tomponandraikitry ny ministeran'ny tontolo iainana, ny ala ary ny fizahan-tany ny eny anivon'ny seranana ary ny polisy (PAF). Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nanao fanambarana taminny ladoany ity vahiny ary tsy nanana fahazoan-dalana famoahana ho an'ireo biby 19 karazana izay voasokajy ao anatin'ny valanjavaboary avokoa.
Fiaraha-miasa. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny fadin-tseranana andaniny, ny ministeran'ny tontolo iainana, ny ala ary ny fizahan-tany ankilany, ary ireo mpitandro filaminana dia sarona izao fikasana hanondranana biby (sahona, bibilava, tarondro, katsatsaka etc....) an-tsokosoko nataona- teratany afrikanina tatsimo hatao izao.
Mody tsy mahalala. Raha nanontaniana koa ny tovolahy dia nilaza fa mpianatra Géologie ny tenany ary hanaovany fikarohana no hilany ireto biby izay novidiany 6 hetsy sy 1 tapitrisa Ariary, tamina mpandrandrahara malagasy teto an-drenivohitra. Nilaza moa ity vahiny fa tsy fantany akory ny olona nivarotra taminy ireo biby. Raha nojerena kosa ny pasipaoro-ny dia fivoahana voalohany nataony ity taty Madagasikara ity. Ny 20 oktobra teo no tonga teto izy ary ny talata teo izy no nikasa hiverina any Johannesburg, kanefa izao tratra izao.
Nisy maty.  Tamin'ny fomba nitondrany azy dia maty ny roa tamin'ireo biby. Amin'izao fotoana izao dia nalefa any amin'ny PBZ Tsimbazaza ireo biby ireo izay mbola atao mise en quarantaine aloha. Ilay tovolahy kosa dia efa natomboka ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra momba azy.
Tsiahivina fa tranga roa samy hafa mikasika fanondranana biby an-tsokosoko no sarona teny Ivato tamin'ity taona ity, ka ny voalohany dia tany amin'ny  fret. Samy teratany afrikanina tatsimo daholo kosa ireo tratra.



5859midi-mg-006884-8970-05112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Reconstitution. Omaly tolakandro no natao ny famerenana ny zava-misy reconstitution  tamin'ny nahafaty an'ilay teratany alemana, Axel Schultz. Nentiny teny an-toerana moa i Bary, ilay voalaza fa atidoha nikotrika ny famonoana azy. Raha tsiahivina fohy dia tany amin'ny trano nipetrahany no novonoina ity alemana ity. Avy eo, nentina tamin'ny borety ny fatiny ary nariana tao anaty fanariam-pako, ary nodorana nony avy eo. Tamin'ny alatsinainy no tratra teny Andavamba i Bary.
 - Endaka. Ramatoa iray no fantatra fa voaendaka teny Analakely, omaly tolakandro. Nitohana ny fifamoivoizana, tsy lavitra ny banky BNI. Tao anatin'ny fiarany ilay ramatoa. Tampoka teo anefa, nisy nisintona ny firavaka volamena teny aminy. Tovolahy mbola tanora tokoa no nanao izany. Noho ny fahatairana dia tsy afaka nihetsika ilay vehivavy fa ny any nataony dia nitazana fotsiny an'io mpangalatra io.
 - Faty teny Ikopa. Fatin-tovolahy iray no hita natsingevan'ny ranon'Ikopa, omaly, teny amin'ny faritra Ampasika. Efa nanomboka ho simba ihany ny razana tamin'io fotoana io. Nisy nivontovonto ny endriny. Araka ny fantatra dia efa tamin'ny alahady teo no tsy hitan'ny fianakaviany ity olona ity. Nipetraka teny Ampefiloha izy. Mpivarotra saribao no asany.
Nangonin'i r.s. 


5859midi-mg-006885-8971-05112008 Lehilahy manana ody mahery, maty izay marary jereny
Famosaviana. Mbola maro ny olona mitana ody, ody tsy mahasoa anefa.
Lehilahy manana ody mahery, maty izay marary jereny
Tsy tafapetraka amina tanana na fokontany iray mihitsy ity lehilahy iray 63 taona fa roahin'ny mponina foana. Ny antony, manana ody mahery antsoina hoe tsy tia zaza mena izany izy. Izay olona marary eo an-tanana ka jeren'ny na hitan'ny mason'ny fotsiny dia maty avy hatrany avokoa. Voalazan'ny vaovao fa am-polony maro no efa namoy ny ainy toy izany.
Tamin'izao farany izao dia any amin'ny Tanana atao hoe Morafena, any Bafandriana, izy no mipetraka. Maro dia maro tokoa ny olona efa leo amin'ny zavatra ataony ka tsy vitsy araka izany ireo mitady hamono azy. Voatery mandositra hatrany ity rangahy ity noho izany.
Ody mahery. Mbola tena marobe tokoa ny olona mitana ody mahery, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra lavitra ny renivohitra any. Maro karazana izany ody ratsy izany, ody ratsy satria tsy mba ampiasaina amin'ny tsara izy ireny fa amin'ny zavatra mamely sy mamono avokoa, na mahalasa adala. Ny an'ilay rangahy resahina etsy ambony ity moa dia hafahafa ny anarany. Asa izay tena ifandraisan'ny masony amin'ilay ody Tsy tia zaza mena. Raha ny ttokony ho izy dia zaza vao teraka no tokony hofaty rehefa hitany fa tsy izay olona rehetra tsy salama izao. Manana ny fahaizany tokoa izy raha izany.
Mahay mamelona. Soa ihany anefa, ho an'ny mpira-belona, fa misy koa ireo mahay zavatra manampy ny mpira-belona aminy. Tany amin'ny faritr'i Sambava, ohatra, nisy vehivavy iray efa narary ela tokoa satria tsy afaka niala ny fandriana mihitsy izy hatramin'ny taona 1988. Tamin'ity taona 2008 ity dia sendra nandalo ny tanana nisy azy ny lahilahy iray mahalala zavatra miafina. Io rangahy io no nilaza tamin'ilay vehivavy sy ny vadiny fa tokony tsy hivady izy ireo fa mpihavana, ka raha misaraka ry zareo dia ho sitrana ho azy ramatoa. Dia natao tokoa ny fisarahana. Niseho avy hatrany ny fahagagana, sitrana soa aman-tsara ravehivavy. Tena mahavariana tokoa.

Lire aussi - Trafika : Biby 388 saika hahondrana an-tsokosoko - Tapatapany 


5881midi-mg-006909-8996-06112008 Mpanao divay voatafika
Fianarantsoa
Mpanao divay voatafika
Tamin'ny zoma alina lasa teo, notafihin'ny jiolahy miisa efatra nitondra basy ny orinasa panao divay iray eny Andoharanomainty, Fianarantsoa. Lasan'ireo bandy avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Tsy nahita vola mantsy izy ireo ka izany no nitondrany ny fitaovana tany an-dakozia. Tamin'io alina io ny tompon'ny orinasa sy ny mpiambina no tao an-toerana. Nanapoaka basy ry zalahy mialoha ny nidirany ny tanàna. Raha vao tao an-trano ry zalahy dia nanontany izay misy ny vola. Tsy nisy anefa tao, araka ny vaovao voaray.
Renim-pianakaviana iray no afaka nitsoaka avy eny amin'ny varavarankely ka niantso vonjeo. Nisy bandy hafa anefa tany ivelany ka avy hatrany dia nokapohin'io tamin'ny bona famaky ny tarehany. Naratra mafy tokoa izy vokatr'izany. Na izany aza anefa, fantany io olona io. Nandeha ny fikarohana ka voasambotra ity bandy iray ity. Mandeha hatrany kosa ny fikarohana ireo namany.



5882midi-mg-006911-8998-06112008 Rongony 22,605 taonina nodorana
Zava-mahadomelina
Rongony 22,605 taonina nodorana
Hetsika goavana no vitan'ny zandary avy ao amin'ny groupement Diana. Nanomboka tamin'ny faha-13 oktobra ka hatramin'ny faha-1novambra dia nahitana vokany izany hetsika izany. Rongony be dia be tokoa ny sarona tany Ambanja sy tany anaty ala antsoina hoe Analabe. Nahatratra 22, 605 taonina no sarona. Olona 42 no fantatra fa voakasik'izao fambolena sy fanaparitahana rongony izao.
Ny 2,350 taonina dia tany amin'ny tanànan'Ambanja no nahitana azy. Ireo ambiny, izany hoe ny 20 taonina mahery dia tany anaty ala no nafenina. Ankoatra ireo, nongotana ihany koa ny fototra rongony miisa 84600 tamina velaran-tany mirefy 70 Ha. Taorian'izany dia nodorana avokoa ireo zava-mahadomelina ireo. Nosamborina koa ireo olona 42 ka vehivavy ny roa tamin'ireo ary zaza tsy ampy taona ny dimy. Natolotra ny fitsarana izy ireo ka fantatra fa nalefa any am-ponja vonjimaika ny 33 ary nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny ambiny.
Ankoatra ny rongony dia nahitana toaka gasy 40 litatra ihany koa tany amin'ireo olona ireo. Any anaty ala arovana no fambolenan'ny sasany rongony ary amina velaran-tany lehibe tokoa. Tsy vao izao no manao hetsika ny mpitandro ny filaminana fa efa matetika mihitsy. Tsy mahafay ny sasany anefa izany fa tratra izy ireo dia misy olona hafa mandimby azy. Anisan'ny toerana mora hambolena ity zava-mahadomelina ity any an-toerana. Tsy ny ravin-drongony ihany no amidin'izy ireny fa efa misy andiany mamadika izany ho menaka. Lafo dia lafo tokoa no ivarotana azy. Efa nisy ihany koa ireo olona voasambotra niaraka tamin'ny fitaovana fanodinana izany rongony izany.
Tsy hijanona eo, araka ny fantatra, ny hetsika famongorana ny fihanaky ny zava-mahadomelina izay voalaza fa fototry ny tsy fandriam-pahalemana.



5882midi-mg-006912-8999-06112008 Fitrandrahana vatosoa vaovao mahasarika ireo vahiny
Andilamena
Fitrandrahana vatosoa vaovao mahasarika ireo vahiny
Anisan'ny mahasarika olona maro indray Andilamena amin'izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa misy toerana vaovao fitrandrahana rubis sy polycrome izay anisany tsara tokoa any Bekobany, toerana tsy dia lavitra loatra an'Andilamena. Anaty renirano mandeha no angadian'ny mponina azy io. Nahita hevitra anefa izy ireo taty aoriana. Naviliny ilay renirano, ary miaraka amin'ireny moto -paompy ireny ny mpangady vato, ka eo amin'ny 3 metatra eo dia ahitana vato sahady, izay sarobidy tokoa. Efa maro ireo vahiny na avy any ivelany na avy eto amintsika no tonga any. Efa maro arak'izany ireo olona mikarakara ny taratasiny ho any amin'ny kariera ao amin'ny biraon'ny kaominina. Nanambara ny Ben'ny tanàna lefitra fa atao izay hampandrosoana ny tanànan'Andilamena.
Janus 


5883midi-mg-006914-9000-06112008 Nitombo ireo mpikambana eny anivon'ny OMDA
Ambatondrazaka
Nitombo ireo mpikambana eny anivon'ny OMDA
Tao anatin'ny telo andro no nanatontosan'ny tomponandraikitry ny OMDA Alaotra 
Mangoro ny fidinana ifotony tamin'ireo distrika roa dia Andilamena sy Ambatondrazaka nisava sy nanara-maso ireo izay tsy ara-dalàna, toy ny fanaovana piratage, ny tsy fandoavana ny latsakemboka. Maro ireo namaly ny antso, izany hoe niditra ho mpikambana vaovao toy ireo mpampanofa horonan-tsary, ny trano fijerena video. Araka ny nambaran'izy ireo, dia manodidina ny 340  amin'izao fotoana izao ireo nandoa ny latsakemboka any amin'ny OMDA. Tamin'izao fidinana ifotony izao dia tsy nisy ireo mpanao hosoka noho ny fampitandremana ataon'ny namany ihany. Mbola mitohy ny fisavana, hoy ny tomponandraikitra Ramanantsoa Jeannot Yves, ary tsy handefitra amin'ireo tratra manao hosoka amin'ireo sanganasan'olona izy ireo. Ny 29 ka hatramin'ny 31 ôkôbra 2008 no nanatanterahana ireo hetsika fisavana ireo.
Janus 


5883midi-mg-006915-9001-06112008 Mpanakalo devizy voatifitra, very ny 40 tapitrisa
Itaosy
Mpanakalo devizy voatifitra, very ny 40 tapitrisa
Raha iny hamonjy fodiana iny ny olona iray mpanakalo ireny vola vahiny ireny no nifanehatra tamin'ny mpanendaka teny amin'ny faritr'Itaosy. Afakomaly no nitrangan'izany. Nitondra moto izy izao voatafika izao. Nosakanan'ireo olon-dratsy izy saingy afaka nanohitra ihany. Tsy nisalasala ireo jiolahy fa nitifitra avy hatrany ka voa teo amin'ny kibony izy. Tamin'izay fotoana izay, latsaka ny kitapo nisy vola 40 tapitrisa. Nalain'ireo jiolahy io ary lasa nandositra izy ireo. Ilay olona kosa dia nentina haingana tany amin'ny hopitaly. Mbola manaraka fitsaboana izy amin'izao fotoana izao.



5883midi-mg-006916-9002-06112008 Maty notsatohany antsy ny zandriny fa nikiry hamonjy bal
Amparafaravola
Maty notsatohany antsy ny zandriny fa nikiry hamonjy bal
Tsatok'antsy niantefa teny amin'ny tenany no nitarika ny fahafatesan'ity tovolahy iray. Tsy olon-kafa fa ny zokiny ihany no nanao izany. Nisavoritaka ity fianakaviana iray izay nisian'ny fifamalian'izy mirahalahy iray tampo, monina ao Ampefy Morarano Chrome. Ny fototry ny fifamalina dia zavatra tsy manao ahoana loatra. Ny harivan'ny zoma 24 ôktôbra 2008 lasa teo, raha handeha hamonjy bal ity zandriolona dia nanakana ilay zokiny. Tsy nanaiky anefa ilay zandriny fa nisisika ny handeha foana. Raikitra ny fifamaliana ary niafara tamin'ny ady mihitsy ny an'izy roa lahy. An-keviny tsy nahatsindry fo ilay zokiolona fa avy hatrany dia nandray antsy ka natsindrony ilay rahalahany.
Avy hatrany dia tsy nahatsiaro tena io zandriny io rehefa niantefan'ny antsy ary dia izay no nitondra azy tany amin'ny fahafatesana. Araka ny nambaran'ny manodidina, dia tsy mba mandray irony zava-pisotro mahamamo ireny izy roa lahy. Tsy dia mbola nisy fifandirana ihany koa teo amin'izy ireo raha tsy tamin'io andro io. Tsy fantatra mazava kosa anefa ny antony tsy namelan'ilay zokiny azy handeha bal. Asa na izao no atao hoe andro miditra na ahoana fa resaka bal ve dia hahavitana manindrona antsy ny rahalahin'ny tena. 
Natolotra ny manampahefana ilay zokiny nahavanon-doza ary efa eny am-ponja miandry ny fitsarana azy.
Lire aussi
Itaosy : Mpanakalo devizy voatifitra, very ny 40 tapitrisa
Andilamena : Fitrandrahana vatosoa vaovao mahasarika ireo vahiny
Ambatondrazaka : Nitombo ireo mpikambana eny anivon'ny OMDA
Coopération : Renforcement des capacités de spécialistes
Lycée français : Un jeune garçon de 13 ans meurt dans la piscine
Fianarantsoa : Mpanao divay voatafika
Janus 


5912midi-mg-006947-9033-07112008 Mpivady voasoloky safira 500 gr mitentim-bidy 75 tapitrisa Ar
Mpivady voasoloky safira 500 gr mitentim-bidy 75 tapitrisa Ar
Tena lalina ny nanjo ireto olona mivady ireto. Lasan'ny sasany ny safira mitentim-bidy hatrany amin'ny 75 tapitrisa ariary, izay milanja eo amin'ny 500 grama eo ho eo. Sendra ny mpisoloky izy ireo, omaly, teto an-drenivohitra.
Efa nandritra ny fotoana elaela no nandehan'izy ireo tany amin'ny faritr'Ilakaka nanangona ireo vato sarobidy ireo. Rehefa nahazo dia niakatra taty Antananarivo mba hivarotra izany. Dia nitady mpanera teny Analakely teny ary nahita tokoa. Fantatra amin'ny fahaizany miresaka moa ireny sokajin'olona ireny ary tsy maintsy arahina maso akaiky tokoa. Asa anefa fa dia nentim-pahatokisana loatra izy mivady koa dia nomena nentin-dry zalahy ny entana. Nolazain'ireo mpanelanelana ireo fa sinoa no hividy ny safira ary nampiandrasina teny amin'ny manodidina izy mivady. Ireo nitondra ny vato kosa nandeha tany amin'ny hotely ipetrahan'ilay voalaza fa hividy azy.
Niandry vasoka.  Dia nanantena ireto olona fa tsy maintsy handray volabe, omaly. Lasa ny ora maro, tsy niverina ireo nomena ny vatosoa. Nanofa hotely iray eny Tsiazotafo ry zareo ary tao no nasaina niandry. Rehefa tsy niverina elaela ireo olona nomena ny entana voa tonga saina. Nandeha nihazakazaka nametraka fitarainana tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana.
Tsy vao izao no nandrenesana zavatra sahala an'izao fa efa im-betsaka mihitsy. Ho an'ireo izay tsy zatra ny fandehan'ny afera aty an-drenivohitra dia tokony mba haka namana ihany izy ireny. Namana izay azo ametrahana fitokisana tsara tokoa.



5943midi-mg-006980-9064-08112008 Maty voadaroka fa tsy nety nihinana akoho manta
Halatra
Maty voadaroka fa tsy nety nihinana akoho manta
Noteren'ny olona nahatratra azy hihinana ilay vatotr'akoho manta ny tovolahy iray tokony ho 28 taona eo, rehefa tratra ambodiomby nangalatra io biby io. Tsy nety nihinana izany mihitsy anefa izy. Nandeha tamin'izay ny daroka isan-karazany ka farany maty ilay tovolahy.
Tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Ambilobe any Mandritsara no niseho ity zavatra ity tamin'ny faha-24 oktobra teo. Voalazan'ny vaovao fa efa somary mamomamo ilay tovolahy naka ny akoho. Vao tratran'ny tompony anefa izy dia nafatotra ary nantsoina ny fokonolona avy eo. Raha vao nahita azy mamomamo ireo olona ireo dia nihevitra avy hatrany fa hoe saika ho ataon'io tovolahy io tsaky io akoho io. Nanapa-kevitra izy ireo fa hampihinanina azy manta ilay akoho.
Nandà hanao izany anefa ilay mpangalatra, ka nandeha ny tefaka sy ny daka ary ny vely kibay. Nilefitra ihany ilay mpangalatra saingy niteny kosa izy fa esorina ny volon'ilay biby vao hohaniny. Tsy nanaiky anefa ireto vahoaka ka nanandrana nihinana ihany izy saingy tsy mbola voateliny akory dia nandoa izy.
Raikitra indray ny daroka. Torana ilay lehilahy. Notondrahana rano mangatsiaka ka nahatsiaro tena telopolo minitra taty aoriana. Raha vao niarina izy dia nisy olona nitoraka avy any aoriana ka nahalavo azy fanindroany indray, toraka somary mafimafy ihany izay nanapitra ny ainy.
Eo anatrehan'ny zava-misy dia nametraka fitoriana ny fianakavian'ilay maty.
Mamy Augustin. 


5943midi-mg-006981-9065-08112008 Sandratra sy Mamy, efa nandoa  avance  tamin'ny  espace  fanaovana mariazy
Fitiavana. Azo lazaina fa tena lalim-paka tokoa ny fitiavana teo amin'ireto tanora roa ireto.
Sandratra sy Mamy, efa nandoa  avance  tamin'ny  espace  fanaovana mariazy
Maro dia maro tokoa ny resaka re tetsy sy teroa mikasika iny raharaha teny Mahamasina iny. Ankoatra ireo efa voasoratra manodidina ny nahafaty an'ireo mpivady sy ny mpanampy azy, mbola misy vaovao hafa ihany koa. Fantatra àry fa tena vonona ny hivady mihitsy izy roa ireo. Ho porofon'izany, voalaza fa efa namandrika trano filanonana hanaovana ny mariaziny izy ireo ary efa nanefa  avance . Tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ny rain'i Mamy anefa dia niteny izy fa tsy mahalala velively ny fisian'izany zavatra izany. Nampiany ny teniny nanao hoe :  raha ny zanako aloha tsy manana izany volabe voatonona izany. I Sandratra no mety hanana izany , hoy ihany izy. Toa efa manana ny volany manokana mihitsy mantsy ity zazavavy ity, any amin'ny trano fitehirizam-bola sy fametrahana vola. Mahatratra hatrany amin'ny 1 200 000 Ariary mantsy ilay vola voalaza fa natao  avance .
Fitia voarara. Eo anatrehan'izany fandehan-javatra izany, dia tena vonona ny hiroso amin'ny fanorenana tokantrano izy roa. Voarara anefa ny fitia ka sendra ny zava-tsarotra ry zareo ary nivily tany amin'ny lalan-tsy izy. Araka ny efa nitaterana azy tamin'ny lahatsoratra tany aloha, dia efa taona roa izy ireo no niaraka sy nifankatia. Ny zavatra handrarana anefa vao maika mampisisika. Maro ny tantara nisy sy nosoratana nifanaraka tamin'ny zava-nisy manamarina izany.
Ankoatr'izany, araka ny maha tanora fanahy ireto ankizy ireto, raha nandositra izy ireo dia toa tsy niafina akory. Porofo, sahy niseho vahoaka, nanomboka niasa nitady vola tany Mananjary. Marina fa tany amin'ny toerana lavitra tany, nefa mahery loatra angamba ny fitiavana teo aminy.

Lire aussi - Halatra : Maty voadaroka fa tsy nety nihinana akoho manta 


5943midi-mg-006982-9066-08112008 Nalefa any am-ponja vonjimaika i Bary sy ny namany
Famonoana an'i Axel Schultz
Nalefa any am-ponja vonjimaika i Bary sy ny namany
Niakatra teny amin'ny fampanoavana omaly ilay raharaha nahafaty ilay teratany Alemana iray antsoina hoe Axel Schultz. Fantatra àry izao fa olona efatra hafa indray no nalefa vonjimaika eny am-ponja. I Bary, ilay voalaza fa tompon-keloka ny iray amin'izy ireo. Voasambotra teny Andavamamba izy io tamin'ny alatsinainy lasa teo raha saika hanatitra taratasy ho an'ny reniny izay miasa amina trano fisakafoana iray.
Ankoatra azy, nisy olona telo hafa koa tafiditra amin'ity raharaha ity na dia tsy mivantana aza. Ny roa, mpiambina. Voalaza izy ireo fa nampanofa trano an'i Bary teny Andravoahangy nandritra ny fikarohana azy. 500 Ariary isaky ny alina no nanofany ilay trano. Ilay olona fahefatra indray dia voatondro ho nividy ilay solosaina an'ilay Alemana, nangalarin'i Bary. Teny Isoraka no nivarotany an'io. Efa namidy fanindroany ilay izy, araka ny fantatra.



5946midi-mg-006986-9072-10112008 Réunification incertaine
AKFM
Réunification incertaine
A l'issue de la réunion des partisans de l'Antokon'ny Kongresy ho an'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara (AKFM), rien n'est encore sûr en ce qui concerne le projet de réunification du parti. C'est ce qu'a annoncé hier, Eric Rakotomanga, secrétaire général du parti. Selon ses dires, le sujet n'a pas été évoqué à cette conférence marquant la célébration du cinquantième anniversaire de l'AKFM. Toutefois, il a laissé entendre que le Bureau politique tranchera dans les jours qui viennent. Durant cette réunion, les partisans ont pu faire un rapport sur les réalités quotidiennes dans les régions. Une résolution caractérisée par les différents domaines évoqués a été établie. Elle sera sûrement publiée demain lors de la conférence de presse organisée par le parti. Il convient de remarquer que 123 militants venant des 22 régions de la Grande île ont participé à cette conférence qui a duré trois jours.
Propos recueillis par Davis R 
Politique 

5966midi-mg-007007-9091-10112008 Tsy misy atahorana fa milamina 
Nosy Be Hell Ville 
Tsy misy atahorana fa milamina 
Manoloana ny tsaho izay havoakan'ireo gazety etsy sy eroa ,amin'ny tsy fandriampahalemana ao Nosy Be, dia nanambara ny PDS Roger Mahazoasy fa mitsipaka ireo vaovao tsy mari-pototra mivoaka ireny. Milamina tsy misy atahorana ny kaominina Nosy Be Hell Ville ami'izao fotoana izao, hoy hiany izy.. Porofo nomeny dia ny fahamaroan'ireo mpizaha tany vahiny tonga mitsidika ity kaominina ity amin'izao fotoana izao. Tsy maintsy misy ihany ny mpanararaotra, saingy efa hentitra ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny kaominina. Na dia eo ihany koa aza  ny olana misy amin'ny pêcherie sy ny SIRAMA dia tsy mbola ahitana izay tsy fandriam-pahalemana izay ao antoerana amin'izao. Nohamafisin'ny fitsarana araka izany ny andraikitra sahaniny manolonana ny fampandrosoana amin'ny fotandrovana izay filaminana izay. Nandritra ny valandresaka narahin'ny ady hevitra mahakasika ny fitsarana sy ny fampandrosoana no nanambaran'izy ireo izany. Tsy misy ny fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana sy ny fandraisana andraikitry ny vahoaka, hoy ireo avy ao amin'ny fitsarana, raha nitondra io ady hevitra io izy ireo. Tsy maintsy hisy ihany koa ny fepetra horaisin'ny kaominina, hoy ny PDS, amin'ireo izay mampiely tsaho izay fositra sy mampihemotra ny fampandrosoana tiany hatao ao Nosy Be Hell ville ao. Manentana ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay ny mpitondra ao Nosy Be mba hitandro mandrakariva ny fandriam-pahalemana izay efa nampalaza azy hatramin'izay.
 V.JCL 


5966midi-mg-007008-9092-10112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Faty tao anaty rano. Tamin'ny zoma vao maraina be, fatin-dehilahy iray no nisy nahita nihohoka tao anaty rano, tsy lavitra loatra ny kianja filalaovana golf eny Ivohitra antsirabe. Niantso ny tomponandrikitra io nahita azy io. Rehefa nojerena ny razana dia tsy nahitana ratra na zavatra hafahafa. Araka ny vaovao ihany, monina tsy lavitra io toerana nahitana ny fatiny io ity lehilahy ity. 30 taona izy. Nivoaka maraina hamonjy asa.
 - Namaky trano foana. Saika matin'ny olona ny lehilahy iray namaky trano efa tsy misy olona mipetraka intsony. Tamin'iny heriandro iny no niseho izany, tany amin'ny tanana atao hoe Antanifotsy II, any Sambava. Asa izay tao an-dohany tao fa avy dia nokapainy tamin'ny antsibe ny varavarana ary niditra izy. Na dia efa tamin'ny 10 ora alina aza dia nisy nahita izany zavatra izany. Tonga ny mponina namoaka azy nefa tsy niteny izy. Tezitra ny rehetra ka saika hidaroka azy. Soa ihany fa nisy nahalala ka dia nilamina ihany ny raharaha.
Nangonin'i Lova sy mamy A. 


5966midi-mg-007009-9093-10112008 Senatera namelaka tehamaina polisy, nandeha rà ny oron'ilay voavono
Tsy refesi-mandidy. Tokony ho fantatra ihany ny hoe hatraiza ny azo atao sy tsy azo atao rehefa manana toerana ambony
Senatera namelaka tehamaina polisy, nandeha rà ny oron'ilay voavono
Nivoaka ny fiara Ingahy senatera, nofelahany tehamaina ilay polisy nanao ny asany. Rehefa izany, niverina niditra tao anatin'ny fiarany izy dia lasa nandeha ohatra ny tsy nisy zavatra niseho akory.
Tany amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny nosy iny no niseho ity azo lazaina fa fanaparam-pahefana ity. Tamin'ny faha-2 novambra teo, nanao ny asany sahala amin'ny isan'andro ny mpitandro filaminana, manakana sy misava fiara eny an-dalana (PR no fitenin-dry zareo azy. Efa maizina ihany tamin'izay satria efa tamin'ny 7 ora sy sassany. Iny nisy fiara avy. Nampitsilopilopy ny lampe de poche teny aminy ny polisy iray, milaza amin'ny mpamily fa tokony hijanona izy. Amin'ny maizina moa, indrindra fa rehefa mirehitra ny jiro, tsy fantatra na an'iza na an'iza ny fiara fa saika mitovy avokoa. Tamin'io fotoana nampijanonana fiara io indrindra no niseho ity zavatra ity.
Raharaham-pihavanana. Ny maraina, ankevitry ny nahatsapa ny hadisoany ihany ilay namely tehamaina olona koa dia naniraka olona nanatona ilay polisy izy hanao raharaham-pihavanana. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana, tsy nety nanao izany mihitsy ilay voa na dia in-telo aza no nisy olona tonga niresaka taminy. Tamin'ny farany anefa moa, rehefa niakatra tany amin'ny lehiben'ity voakasi-tanana ity ny fandehan-javatra dia toa nanaiky ny fifandaminana ihany izy. Ny vaovao azo ihany anefa no nahafantarana fa maro tamin'ireo namany no manameloka iny fihetsika diso tafahoatra iny.
Ankoatra io famelahana tehamaina io mantsy, hoy ny vaovao avy any an-toerana, maro ny zavatra ataon'io olona io tsy ankasitrahan'ny mponina.

Lire aussi - Armée : Sortie de promotion - Nosy Be Hell Ville : Tsy misy atahorana fa milamina - Tapatapany 


5983midi-mg-007029-9146-13112008 10 taona ny SAMPATI
FJKM Ambanilalana-Finoana
10 taona ny SAMPATI
Folo taona amin'ity no nijoroan'ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), fivondronana faha-200, mitondra ny anarana hoe  Lanitra , ao amin'ny FJKM Ambanilalana-Finoana. Hetsika samihafa no hanamarihany izany fankalazany ny faha-10 taonany izany izay nampombana ny teny faneva hoe:  Ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra  (II TIM. 3 - 17b).
Ny sabotsy tolakandro izao dia fanokafana ny taom-panabeazana izay hofaranana amin'ny afom-pifaliana. Ary ny alahady no fanokafana ny fankalazana ny faha-10 taona amin'ny fiaraha-miombom-po amam-panahy amin'ny fiderana an'Andriamanitra. Alahadin'ny SAMPATI rahateo io. Ny fanaovam-paneken'ny Komitim-pivondronana sy mpiandraikitra ary fanolorana ny Tonian'ny Tily no hanamarika manokana an'io fanompoam-pivavahana io. Ny tolakandro kosa dia fiaraha-mikoranan'ny skoto izay hofaranana amin'ny afom-pifaliana.
 Ny taona 1998 moa no nitsanganany ary ny taona 1999 no nanokanana azy koa haharitra herintaona ny fankalazana ary tsy hifarana raha tsy ny volana novambra 2009.
r.f. 


5983midi-mg-007030-9147-12112008 Dimy lahy mitondra Kalach nanendaka
AMBODITSIRY. Voaendaka avokoa izay sendra ireo jiolahy. Vola sy firavaka volamena ary finday no tena alain'izy ireo.
Dimy lahy mitondra Kalach nanendaka
Nihorohoro avokoa ny mponina teny Amboditsiry omaly maraina. Tokony ho tamin'ny valo ora teo mantsy dia fa nisy dimy lahy mitondra basy  Kalachnikov  niditra ny elakelan-trano eo akaikin'ny  fonderie  ampitan'ny lalana mankany amin'ny JB ary nanendaka izay olona sendra azy. Na vola, na firavaka volamena na finday dia samy noraofin'izy ireo avokoa. Sady mandeha izy ireo no manendaka ka izay sendra azy dia voambana basy avokoa. Nanohy ny lalany ireo jiolahy ka tsy hita izay nanjavonany fa lasa tany anaty elakelan-trano tany.
Raha nanontaniana ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana eny an-toerana dia milaza ho tsy mahalala na inona na inona mikasika ity asan-jiolahy ity.
Faritra isan'ny azo lazaina fa tafiditra ao anatin'ny  mafana  eto an-drenivohitra, raha resaka fandriam-pahalemana, iny faritr'Amboditsiry sy ny manodidina iny. Saika eny avokoa ny fieren'ny jiolahy sy fanaovany ny asa ratsiny. Raha tsy ampahatsiahy afa-tsy ilay lehilahy hita faty sy feno dian'antsy teny Ambatomainty vao tsy ela isika. Teny amin'ny manodidina teny ihany koa ilay Sinoa nisy nanafika niaraka tamin'ny kaontenera vao maraim-be. Ahiana ho ireto jiolahy nanendaka vao maraina teny omaly ireto ihany no tompon'antoka tamin'iny fanafihana Sinoa iny.
Mandry tsy lavoloha ny mponina ka inoana fa handray fepetra ny tomponandraikitry ny mpitandro ny filaminana.

Lire aussi - Trafic d'animaux : Il a demandé pardon à la justice malgache - FJKM Ambanilalana-Finoana : 10 taona ny SAMPATI 


5983midi-mg-007031-9148-12112008 Ilan-jazakely tao anaty rano
AMBAVAHADITOKANA-ITAOSY
Ilan-jazakely tao anaty rano
Nampivarahontsana tokoa ny zavatra hitan'ny fokonolona teny Loharanombato - Ambavahaditokana (Itaosy) ny tolakandron'ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin'ny roa ora dia nahita ilan-jazavavikely tao anaty lakan-drano ny fokonolona. Ny ilan'ny tarehiny, ny ilan'ny tanany, ny ilan-tongony ary ny ilan'ny karandohany (ilany havia avokoa ireo) no hita tamin'izany, ary ny taovam-pananahany efa mizara roa ihany koa no nahafantarana fa vavikely ilay izy. Ny quartier mobile tany an-toerana no nampandrenesin'ny fokonolona voalohany ka ireo indray avy eo no niantso ny zandary avy ao amin'ny borigadin'Itaosy. Izy ireo no nanao ny fizahana ny razana ary efa eo am-panaovana famotorana amin'izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra aloha izay mety ho nahazo ity zazavavikely ity. Raha araka ny fizahana natao, dia manodidina ny roa taona eo ilay izy, ary novonoina tamin'ny fomba feno habibiana tokoa. Nozaraina roa ny vatany iray manontolo, nofonosina tao anaty lamba avy eo ary nariana tany anaty lakan-drano. Mbola karohina ihany koa izay nahavanon-doza ny ilan'ny vatany. Rehefa vita ny fizahana nataon'ny mpitandro filaminana sy ny dokotera dia natolotra ny tomponandraikitry ny fokontany ny razana nalevina. Mitohy ny fanadihadiana ataon'ny zandary ao amin'ny borigadin'Itaosy.



6015midi-mg-007065-9180-13112008 Vehivavy maty tao anaty hotely tetsy Tsaralalana
Faty olona. Saika isan'andro no ahitana fatin'olona eto an-drenivohitra. Matetika no ahitana ratra amin'izy ireny.
Vehivavy maty tao anaty hotely tetsy Tsaralalana
Omaly no nahitanan'ny olona vehivavy iray nivembena toa marary tao anaty hotely tetsy Tsaralalana. Ny tena nahataitra ireo izay nahita dia tsy misy akanjo intsony ny tapany ambany fa miboridana tanteraka. Ny tapany ambony no nisy T-shirt. Samy namonjy haingana an'io olona io ireo rehetra teo akaiky teo. Afaka fotoana fohy ihany anefa dia fantatra fa maty ilay vehivavy.
Dian-kenda. Nantsoina ny mpitandro filaminana ary dia natao avokoa ny fombafomba rehetra. Naterina tany amin'ny tranom-paty, teny amin'ny HJRA, ny razana nony avy eo. Rehefa nanao ny fandinihana ny razana ny dokotera dia nahamarika fa misy Diana nokendaina teo amin'ny tendan'ity olona ity ary ankevitr'izany no anisan'ny nahafaty azy. Nisy namono ve sa...?
Tokony ho tany amin'ny 12 ora tany no nisy ity zavatra ity. Tsy nisy nahamarika moa ny manodidina na io olona io irery no niditra ny hotely na nisy niaraka taminy. Izy efa reraka io vao fantatra. Ny vaovao ihany no nahalalana fa eo amin'ny 41 taona eo ilay vehivavy. Hanao inoina irery tao anefa izy. Efa mandeha, amin'izao fotoana izao, ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana ka avy amin'izany no tsy maintsy ahalalana izay zavatra niseho marina omaly antoandro io.
Vonoan'olona. Mahavariana mihitsy ny tranga eto an-drenivohitra eto. Vao tsy ela akory izay no nahitana fatin'olona ohatra an'izao teny amin'ny faritra Ambohidratrimo. Ny eny amin'ny faritr'i Tsaralalana moa no andrenesana toe-javatra sahala amin'izao matetika. Anisan'ny toerana misy ireny karazana hotely fandehanan'ny olona manana filana ara-nofo eny, na andro na alina, ary maro koa ny vehivavy manao asa fivelomana fivarotan-tena.
Fa ny mikasika ny resaka vonoan'olona, maro ny faritra eto amin'ny Nosy no isehoan'izany. Indraindray aza dia zavatra tsy toa inona akory dia ahavitan'ny sasany manala ain'olona. Fifamaliana kely eny amin'ny toeram-pisotroana, adiady eo amin'ny mpiray tampo sy ny zavatra maro isan-karazany tsy nampoizina akory.

Lire aussi - Tsindrona antsy : Eny am-ponja vonjy maika ilay nanao izany - Antsirabe : Jerena fotsiny ireo adala manao firaisana - Behoririka : Avoakan'ny mpiasa an-tsokosoko ny entana 


6015midi-mg-007066-9181-13112008 Eny am-ponja vonjy maika ilay nanao izany
Tsindrona antsy
Eny am-ponja vonjy maika ilay nanao izany
Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray fantatra fa nanindrona antsy olona teny amin'ny faritra Ambohibao. Rehefa nandinika ny zavatra niseho ny mpitsara dia nalefa vonjy maika eny am-ponja izy.
Tamin'ny alahady teo no niseho ny tantara; samy mpiray tanàna moa. Nisy olona maromaro efa nisotro tao amin'ny toerana iray. Nisy olona hafa ihany koa anefa nanampy azy ireo.. Rehefa niakatra ny daozy dia nanao fanamarihana ilay nividy ny zava-pisotro. Tezitra tamin'izany ilay vao tonga ka nisy ny fifamaliana. Raikitra mihitsy aza ny totohondry. Lasa nandeha ilay tonga tafara. Tamin'ny fotoana tsy nampoizina anefa, niverina izy ary nitondra antsy. Avy hatrany dia notsindroniny tamin'izany ilay niantoka toaka ho azy.



6015midi-mg-007067-9182-13112008 Jerena fotsiny ireo adala manao firaisana
Antsirabe
Jerena fotsiny ireo adala manao firaisana
Dia tena jeren'ny olona fotsiny ireo adala roa, lahy sy vavy, manao firaisana eny an-tsena. Tany Antsirabe no nisy izany. Asa aloha na ahoana na ahoana fa mifankatia ry zareo. Mifampisakambina izy ireo rehefa mandeha eny an-dalana, mifanoroka ohatra an'ireny amin'ny sinema ireny. Ary dia miafara amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo izany. Teny Atsinanan-tsena no nahitan'ny mponina azy ireo.
Ao ireo variana mahita azy roa. Ao koa anefa ireo izay tena sahiran-tsaina mihitsy. Tsy hita anefa izay hanaovana azy, samy adala tsinona izy roa.
Raha ity fandehan-javatra ity no jerena, ireo efa nahazo taona dia mahatsiaro ny zavatra niseho teny Analakely, taona maro lasa izay. Karamaina ariary efatra ireo adala roa dia manao fampisehoana eo imason'ny rehetra. Variana na ny lahy na ny vavy, ny tanora indrindra indrindra.
Lova 


6019midi-mg-007072-9187-13112008 Miaramila mirongo basy nandrahona mpivarotra
Isoraka
Miaramila mirongo basy nandrahona mpivarotra
Fanehoan-kery ve sa filam-baniny tsotra izao? Raha ny zava-niseho tetsy Isoraka akaikin'ny fiangonana Ambatonilita, omaly antoandro, mantsy dia toa maha te hiteny hoe: sao dia tsy tokony hampitondraina basy intsony ny miaramila? Toy izao ny fisehony. Omaly tokony ho tamin'ny 12 ora antoandro teo dia nisy miaramila miisa enina, manao fanamiana ara-dalàna, ka ny 4 mitondra basy ary ny roa kosa tanam-polo. Raha ny fijery azy dia efa avy nisotrosotro ry zalahy ireto. Tsy afa-po angamba ka mbola niditra tao amin'ny fivarotana iray. Nisotro indray ary rehefa nitaky vola ny mpivarotra dia ny fandrahonan'izy ireo indray no nataony aloha. Ny iray aza moa dia nahasahy nandrangaranga basy. Rehefa nanomboka nitangorona anefa ny olona dia natao ihany ny fandaminana ka naloan'izy ireo ny vola.
Fihetsika tsy voahevitra toy izany indraindray dia mety hiafara amin'ny fidirana am-ponja na mety  hamoizana ain'olona mihitsy. Raha sanatrian'izany moa ka nipoaka teo ny basy dia mba ahoana? Ireo miaramila rahateo efa avy nisotrosotro ka mety ho tsy hahafehy ny fitaovam-piadiana mahery vaika eny aminy. Zavatra toy izao no tena manala baraka ny fianakaviamben'ny miaramila iray manontolo.



6062midi-mg-007117-9233-14112008 Tranona diplaomaty nisy nanafika
LA HAUTE VILLE
Tranona diplaomaty nisy nanafika
Omaly tokony ho tamin'ny 1 ora maraina dia notafihina jiolahy mirongo basy ny trano iray teny Andohamandry - La Haute Ville. Araka ny fanangonam-baovao teny an-toerana dia tranona Diplaomaty ilay nisy nanafika. Miisa telo ireo jiolahy ary nitondra basy basy poleta. Tsy voafaritra mazava ny fomba nahatafidiran'ireo jiolahy tao anaty fefy fa izy ireo efa manambana basy ireo mpiambina roalahy vao samy taitra ny rehetra. Nofatoran'ireo mpanafika ireo mpiambina ary notampenany tamin'ny akanjo ny vavany. Niditra tao an-trano izy ireo avy eo ary naka izay fitaovana elektronika rehetra, toy ny ordinatera, lecteur CD, finday sy ny maro hafa koa. Ora iray taorian'ny fanafihana vao nahasahy nihetsika ny tao an-trano. Voavaha ny fatoran'ireo mpiambina ka rehefa nozahana dia mbola navelan'ireo mpangalatra teo an-tokontany ny fahitalavitra iray. Hatramin'izao aloha tsy mbola nisy ny olona voasambotra fa efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana.
Saika isan'andro tato ho ato dia andrenesana fanafihan-jiolahy foana ary saika mitovitovy avokoa ny fomba ampiasain'izy ireo. Vao afakomaly izao ny tranon'olona iray tetsy amin'ny 67 Ha no nisy nanafika dia izao fanafihana niseho teny Andohamandry izao indray.



6062midi-mg-007118-9234-14112008 Fiaran'ny STAR nivadika
Alarobia
Fiaran'ny STAR nivadika
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga tetsy Morarano (Alarobia) omaly tolakandro. Kamiaon'ny STAR izay nitondra olona telo sy zava-pisotro no niharan'izany loza izany. Nivadika tany anaty hantsana ary saika lasa tany an-tanimbary mihitsy moa ity fiara vaventy ity. Araka ny nambaran'ilay mpanampy ny mpamily izay tsy dia naninona firy, dia avy naka zava-pisotro avy any amin'ny orinasa STAR hotsinjaraina eny amin'ny mpaninjara eny Ambohitrarahaba izy ireo no izao niharam-boina izao. Ilay mpamily mpanampy sy ilay mpibatabata entana nentin'ity fiara dia ratra madinidinika no nahazo azy ireo fa ilay mpamily no nifampisintonan'ny fokonolona fa tafajanona tao ambanin'ilay fiara . Ankoatr'izany ratra efa nanjo ilay mpamily izany dia fantatra fa mbola nirarahan'ny asidra noho ny fahapotehan'ny fiara ihany koa izy. Nentin'ny mpamonjy voina eny amin'ny hôpitaly avy hatrany ity mpamily ity raha vao tafavoaka tao ambanin'io fiara io. Tsy mbola fantatra mazava moa izay tena nahatonga izao voina izao fa ny hany fantatra dia tsy vao izao no nahitana trangan-javatra tahak'izao eny amin'iny lalana iny.
Delphine


6062midi-mg-007119-9235-14112008 Mpivarotena tsy ampy taona nosamborin'ny polisy tany amin'ny hotely
67 Ha. Naharay vaovao ny polisy fa rehefa tsy mianatra ireo ankizivavy dia mandeha mivaro-tena. Nanao fisavana tampoka izy ireo ary nahitam-bokany izany.
Mpivarotena tsy ampy taona nosamborin'ny polisy tany amin'ny hotely
Olona 11 no noraofin'ny polisy tany anaty hotely etsy 67 Ha omaly ka mpivarotena tsy ampy taona ny roa tamin'ireo. Naharay vaovao mantsy ny avy ao amin'ny polisim-pirenena fa eo anelanelan'ny amin'ny 12 ora ka hatramin'ny 2 ora, fotoana tsy fianaran'ny mpianatra dia misy ankizy tsy ampy taona mandeha mivaro-tena ka izany hotely eny 67 Ha izany no falehan'izy ireo. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fisavana ka olona 11 no voasambotra. Anisan'izany ny tompon'ilay hotely, ny mpiasa ao ary olona mpanofa ny hotely. Ny antony nisamborana ny tompon'ny hotely dia noho ny fampiantranoany zaza tsy ampy taona sy ny famporisihana an-kolaka azy ireo hanao fihetsika mamoafady. Mikasika ireo mpiasa indray dia noho ny firaisana tsikombakomba sy ny tsy fanoratana ara-dalàna ny anaran'ireo olona mpanofa hotely ao anaty boky fitanana an-tsoratra. Ny an'ireo olona sasany kosa indray dia fanodinkodinana zaza tsy ampy taona sy tsy fanarahan-dalàna amin'ny fidirana hotely.
Voalaza ao anaty lalàna famaizana fa mahavoasazy 2 ka hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina ary andoavana lamandy Ar 1 tapitrisa ka hatramin'ny Ar 5 tapitrisa ny fandikan-dalàna mikasika ireo voalaza etsy ambony ireo. Nentina nalaina am-bavany teny amin'ny biraon'ny polisy ireo olona ireo ka misy ny afaka nody ary misy kosa ny mbola tazonina. Mikasika ireo zaza tsy ampy taona roa vavy dia nampanantsoina avy hatrany ny raiamandreniny.

Lire aussi - Gendarmerie : Sortie de la 9e promotion d'analyste criminelle - La Haute Ville : Tranona diplaomaty nisy nanafika - Alarobia : Fiaran'ny STAR nivadika 


6094midi-mg-007153-9270-15112008 Nasiany poizina ny betsa nosotroin'ny valilahiny
Sambava
Nasiany poizina ny betsa nosotroin'ny valilahiny
Norarahany poizina ny betsa izay hosotroin' ny valilahiny, tao amin' ny faritra Ambalamanasy Kaominina ambonivohitra Sambava. Ny alarobia lasa teo no nitrangan' izany tany an-toerana. Matetika no miaraka misotrosotro ireto mpivalilahy ireto. Asa na efa nisy lonilony andavanandro na ahoana, fa raha iny niala kely tamin' ilay toerana nisy azy iny ny anankiray tamin' izy roalahy dia  nanatona ny toerana misy ny vera avy hatrany ilay nijanona. Tsy fantatra izay nataony teo, fa tsikaritry ny olona fotsiny izy namonjy haingana ny toerana nialan' ilay vadin' ny anabaviny, ary tsy naharitra ela no nijanonany teo. Rehefa niverina ary ny tompon-toerana, dia nampiakatra ny vera mba hisotro ny ambiny sisa teo. Taitra izy satria niova loko ilay Betsa, mavomavo no fahitana azy andavanandro, izay lasa maitso tampoka teo no sady nandroatra. Nanontaniany ny olona nanakaiky teo ka nanondro io valilahiny io avy hatrany ireo nahita ny fandehan-javatra. Ity farany kosa dia nandà mafy fa tsy nikitika io vera akory. Rehefa izany no fandehany dia noterana izy hisotro ilay Betsabetsa, saingy tsy nanaiky, ary dia velona ny ady saritaka teo amin' ilay toerana fisotroana. Nisy ny naratra, ary vaky nandositra ilay nanao ny poizina tao anaty zava-pisotro. Voalaza moa fa ody vazaha io nampiasaina io fa tsy ody gasy akory, izay azo heverina fa mahafaty eo noho eo. Gaga sady lany fanahy ilay anabaviny raha naheno ny zava-nitranga.



6094midi-mg-007154-9271-15112008 Omby halatra avadika ho hena
Omby halatra avadika ho hena
Olona telo no voarohirohy tamin'ny halatra omby avadika ho hena, tany amin'ny tanana atao hoe Sahanivotry Tsarahonenana, any Antsirabe II. Tratra tany amin'izy ireo ny henan'omby halatra very tamin'ny alatsinainy teo.
Very tamin'ny alatsinainy, tany Tsarazaza Fandriana, ny omby roa. Tsy niandry ela ny tompony fa nanao ny fanarahan-dia. Rehefa tonga tany Sahanivotry voalaza etsy ambony io, hita ny hoditr'ireo omby. Nampilaza tany amin'ny zandary ry zareo ary natao ny fikarohana. Tamin'izany no nahatratrarana ireo telolahy. Ireo hena dia efa tena tsara afina tokoa, satria nalevin-dry zalahy tany anaty tany. Ny tena mahavariana dia hainy tsara tokoa ny nampirina ireo hena ireo satria voalazan'ny vaovao fa tsy simba mihitsy izany ary tsy misy fofona akory.
Tamin'ny famotorana natao an'ireo voasambotra no nahalalana fa efa misy mpandray ny hena. Olona avy amin'ny kaominina maromaro no voalaza fa mividy ny entana.
Lova 


6094midi-mg-007155-9272-15112008 15 taona ny SAMPATI  Tsinjo 
FJKM Ambohitrarahaba
15 taona ny SAMPATI  Tsinjo 
Hosokafana rahampitso alahady 16 novambra, amin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana ny fankalazana ny faha-15 taonan'ny SAMPATI  tsinjo , ao amin'ny FJKM Ambohitrarahaba. Hisy ny fanekena mpiandraikitra sy fanolorana tonia amin'io fotoana io. Ny tolakandro dia hisy ny fijerena sarimihetsika.
Mitohy mandritra ny taom-panabeazana 2008-2009 ny fankalazana ary hofaranana amin'ny lasy lehibe izany amin'ny volana aogositra 2009.


6094midi-mg-007156-9273-15112008 Karana iray voaeloka hiasa 5 taona an-terivozona
Kidnapping. Rehefa tratra ireo tompon-kevitra, fantatra fa karana samy karana ihany no mifampaka an-keriny eo.
Karana iray voaeloka hiasa 5 taona an-terivozona
Niakatra fitsarana, omaly, ilay raharaha fakana an-keriny karana iray teny Androhibe ,tamin'ny faha-17 jona 2004. Olona sivy no voarohirohy tamin'izany, karana efatra ary polisy dimy. Tamin'io daty voalaza io, rehefa lasan'ireo mpaka an-keriny ilay lehilahy iray dia niantso ny fianakaviana tamin'ny alalan'ny telefonina ry zalahy. Raikitra fa vola roa baoritra no ho tambin'ny famotsorana an'io olona io. Vola mitotaly 200 tapitrisa ariary. Natahotra ny ain'ny havany ilay fianakaviana, koa dia nanaiky ny handoa io volabe io. Natao teny amin'ny faritra Anosizato ny fotoana. Tamin'io andro io koa anefa dia toa efa nahalala zavatra ny mpitandro filaminana. Nisy polisy dimy koa tonga teny an-toerana.
Rehefa azon'ireo mpaka an-keriny io vola io dia nanatona koa ireo mpitandro filaminana ary toa nisy ny fifanarahana teo amin'ny roa tonta, mpaka an-keriny ankilany, ireo polisy andaniny. Tsy nanaiky iretsy farany raha tsy mahazo anjara amin'ilay vola. Rehefa vita ny fizarana dia samy nandeha tany amin'izay nombany tany. Ilay nalaina an-keriny kosa tafaverina tany amin'ny havany.
Taty aoriana anefa, nokobokoboin'ny marina ny iray tamin'ireo mpitandro filaminana ka dia niteny tsy nanontaniana. Ny vaovao fantatra, omaly, dia hoe, anisan'ny kely indrindra hono ny anjarany. Natao ny fisamborana ireo rehetra voarohirohy tamin'ity raharaha ity. Rehefa nandalo ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo dia samy nalefa tany am-ponja vonjy maika.
Tamin'ny fotoam-pitsarana, omaly, tsy nisy tonga teny amin'ny tiribonaly ireo karana. Polisy efatra no nanatrika tao.
Nivoaka ny didy ka karana iray no voasazy hiasa an-terivozona 5 taona, ary tsy mahazo mandia faritany ihany koa 5 taona. Ireo karana hafa kosa nohafahana noho ny fisalasalana. Ireo polisy indray dia voaheloka enim-bolana an-tranomaizina, sazy mihantona.

Lire aussi - Sambava : Nasiany poizina ny betsa nosotroin'ny valilahiny - Omby halatra avadika ho hena - FJKM Ambohitrarahaba : 15 taona ny SAMPATI  Tsinjo  


6098midi-mg-007162-928-16012008 Fiara nirehitra   
ANALAKELY
Fiara nirehitra
 
Nisahotaka indray Analakely omaly. Nanakatona trano avokoa ny mpivarotra manodidina, nangoron'entana ny mpivarotra amoron-dalana. Nirehitra tampoka mantsy ny fiara Peugeot 204 iray nipetraka manoloana ny Institut d'Hygiène Social tetsy Analakely. Tokony ho tamin'ny 5 ora mahery kely teo. Tsy mbola voafaritra mazava tsara aloha hatramin'izao izay antony nahatonga ny afo. May tanteraka ny seza aoriana rehetra sy ny vatan'ny fiara iray manontolo. Soa fa tonga ara-potoana ny mpamono afo ka vetivety dia voafehy izany. Soa fa voavonjy soa aman-tsara ihany koa ny moteran'ny fiara. Isan'ny tena natahoran'ny olona ny mety ho fipoahan'ilay fiara nirehitra. Nanasarotra ny asan'ny mpamonjy voina koa anefa ny fitangoronan'ny olona izay liana tamin'ny zava-niseho. Nitohana izay tsy izy vokatr'izany ny fifamoivoizana.
Aina R.


6108midi-mg-007173-929-16012008 Dahalo novonoin'ny namany   
SAMBAVA
Dahalo novonoin'ny namany 
   
Ny alin'ny 29 desambra lasa teo no nanafihan'ny dahalo dimy lahy ny tantsaha 4 mirahalahy tao Nosivolo, kaominina Nosiarina, Sambava. Mirongo basy ireto dahalo ireto tamin'izany ka napoakany aloha ny basy hampihorohoroana   ny iray tanàna vao nitsofoka tany an-tranon'ireto tantsaha ireto izy ireo. Noraofiny avokoa ny entana mora entina sy lafo vidy. Lasan'izy ireo tamin'izany ny lelavola mitentina 2 tapitrisa Ar, ny volamena, ny lecteur VCD, ny vata fahitalavitra sy ny entana vitsivitsy fampiasa ao an-dakozia. Ny sasany amin'izy ireo dia niambina tety ivelany, ny hafa kosa naka ny entana tao an-trano. Nisy tamin'ny fokonolona anefa nanana basim-borona ka nitifitra avy hatrany ny iray tamin'ireo dahalo. Tsy maty teo no ho eo ilay voa fa mbola afa-nitsoaka sahabo ho 100 metatra niala teo vao nidaraboka. Narahin'ireo namany ilay voa ka nony nojeren'izy ireo fa tsy ho afa-mandeha ary fantatra fa ho tratra ka hamoaka ny tsiambaratelo dia kivy izy ireo ka naleony notaperina ny ainy. Rémi R./ Aina R.


6115midi-mg-007181-9298-17112008 Nokapainy tamin'ny antsibe ny lohan-drainy
Vohemar
Nokapainy tamin'ny antsibe ny lohan-drainy
Tapaka nipitika mihitsy ny lohan'ilay rangahy nokapain-janany tamin'ny antsibe. Zava-niseho tany Analovana - Vohemar io ny faran'ny herinandro teo. Teo am-panamainana dipoavatra eo amoron'arabe ilay rangahy be no avy dia nasian'ilay tovolahy avy ao amin'ny hatony. Araka ny voalazan'ny nanatri-maso dia sady mamo toaka no mamon-drongony ity tovolahy ity tamin'io.
Efa mananika ny 76 taona ity raim-pianakaviana novonoin-janany ity, ilay nahavanon-doza kosa vao 30 taona monja. Mpamboly lavanila sy dipoavatra amin'iny faritra iny ry zareo ka asa na efa nisy disadisa teo amin'ny fianakaviana na ahoana ka nahatonga ity lehilahy ity namono ny rainy. Efa voasambotry ny fokonolona ilay tovolahy ary efa natolotra ny mpitandro ny filaminana ao Vohemar. Aorian'ny famotorana dia hatolotra ny Fitsarana ny raharaha.
Rémi 


6115midi-mg-007182-9299-17112008 Moto tafiditra tany ambany taxi-be  Toaka gasy 750 litatra sarona  Fiara roa very  pare brise 
Soanierana
Moto tafiditra tany ambany taxi-be
Potika tanteraka ilay moto ary nisy zazakely iray nifampisokirana tany ambany fiara. olona telo naratra mafy ary soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Soanierana omaly tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Taxi-be zotra F roa no nifanenjika ka nisy moto scooter tao afovoany. Nijanona tampoka anefa ilay fiara teo aloha ka io no nahatonga ny loza. Samy nandeha mafy avokoa izy telo ireo. Tafajanona ihany koa anefa ilay moto fa ilay fiara taty aoriana indrindra no nitrongy azy ka izao nahapotika azy izao. Ireo olona telo naratra indray dia nitsambikina avy ao anaty fiara no namparatra azy.
Ambanitsena
Toaka gasy 750 litatra sarona
Saron'ny mpitandro ny filaminana tetsy Ambanitsena (lalampirenena faha-2 mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina) ny alin'ny sabotsy teo ny toaka gasy 750 litatra saika haondrana aty Antananarivo. Olona roa no tompony, nentina tamina fiara minibus io ary natao tao anatina jerrican miisa 25. Voalaza fa nentina avy any Antsampanana ireo toaka gasy ireo.
Bel'Air
Fiara roa very  pare brise 
Fiara Peugeot 505 sy 205 no indray very  pare brise  tetsy Bel'Air Ampandrana ny alin'ny sabotsy teo. Tsy dia lavitra loatra ny tranon'ny tomponandraiki-panjakana ambony no nisehoan'ny halatra. Toerana izay misy miaramila mpiambina nefa dia nitrangana halatra toy izao. Nahazoam-baovao koa fa mirongatra ny fanendahana sy ny sinto-mahery amin'iny faritra iny.



6116midi-mg-007184-9300-17112008 Tovolahy 15 taona maty nananton-tena
ANOSIBE.  Apetraho eo akaikin'i Dada . Io no hafatra napetrany an-taratasy talohan'ny nahafatesany.
Tovolahy 15 taona maty nananton-tena
Ny fatin-janany efa nihantona tao an-trano no novantanin'ilay renim-pianakaviana. Tranga niseho tetsy Anosibe ny harivan'ny zoma lasa teo. Tovolahy vao 15 taona monja no maty nananton-tena tao an-tranony. Voalaza fa noho ny resa-pitiavana no anton'izao famonoan-tena izao. Voalaza mantsy fa miaraka amina tovovavy 18 taona ity tovolahy ity. Fantatry ny fianakavian'ilay tovovavy izany ka norarana izy roa tsy hiaraka. Vokatry ny hakiviana noho izany fandrarana izany no nahatonga azy handray izao fanapaha-kevitra izao.
Talohan'ny nahafatesany dia nametraka taratasy ihany koa ity tovolahy ity. Taratasy izay mitantara fohy ny antony namonoany tena ary nasiany hafatra manao hoe:  apetraho eo akaikin'i Dada aho  . Ny reniny tonga tao an-trano no nahita ny razana nihantona amin'ny tady. Tonga tao an-trano ny reniny ny harivan'ny zoma io dia gaga raha nandondona mafy nefa tsy nisy namoha. Hany heriny dia niditra avy eo amin'ny varavarankely iray izay nisokatra. akory anefa ny hatairany tonga tao an-trano nahita zavatra nanalokaloka azy. Rehefa nojerena, hay ny zanany no nihantona tamin'ny tady tao an-trano. Nampandrenesina avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana, ka rehefa vita ny fizahana dia nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny razana nanaovan'ny dokotera fizahana mialoha ny handevenana azy. Nanokatra fanadihadiana ihany koa ny mpitandro ny filaminana mikasika ity fahafatesana olona ity.
Toa mampahatsiahy ny tantaran'i Mamy sy Sandratra ilay nahavita namono ny ray aman-dreniny tetsy Mahamasina noho ny fandrarana tamin'ny resaka fitiavana ity raharaha teny Anosibe ity.

Lire aussi - Vohemar : Nokapainy tamin'ny antsibe ny lohan-drainy - Soanierana : Moto tafiditra tany ambany taxi-be 


6116midi-mg-007185-9301-17112008 Zaza vao teraka nariana tany anaty ala
ANALAMAHO
Zaza vao teraka nariana tany anaty ala
Nahitana fatin-jazakely nariana teo amoron'ny aty ala kely tao Maeva Doany, kaominina Analamaho - Sambava, ny talata lasa teo. Nofonosina lamba mena, izay vao natao tanaty gony ilay razana. Raha ny fijery azy dia mety ho vao mangiran-dratsy no nanariana azy teo. Ny mponina teo an-tanàna ihany no nandray an-tanana ny fandevenana azy. Mandeha ny resaka mikasika ilay lamba mena namonosana azy. Ireny mantsy dia tsy tongatonga ho azy fa mety ho misy zavatra hafa ao ambadika. Raiamandreny iray tany an-toerana no nanambara fa mety nisy olona nanao voady tamin-javatra misy herin'ny maizina, ka ilay zaza no natao sorona. Maro mantsy, hoy izy, ny tranga amin' ireny olona manatona ombiasy mba hampanankarena azy ireny, na koa hanaovana mosavy sy halatra. Ohatra noraisiny ny zava-nitranga tamin' ny taona 2003. Zaza vao teraka no novonoina, ary ny ray aman-dreniny ihany no nahavanon-doza. Nariana toy io natao tamin'ilay zaza io ihany koa. Taorian' ilay fahotana be vava vitany mantsy ireto mpivady ireto, dia tena nanan-katao tokoa. Ankehitriny anefa, mijinja ny nafafiny izy ireo.



6122midi-mg-007193-931-16012008 Nokendainy ho faty ireo zanany roa lahy dia namono tena izy
Nokendainy ho faty ireo zanany roa lahy dia namono tena izy
  Nisehoan-javatra tena nampalahelo ny tanànan'i Masiakamalona any amin'ny distrikan'i Mandoto tamin'ny alahady alina teo. Araka ny vaovao marim-pototra voaray avy any an-toerana dia nokendain'ilay rangahy ho faty tamin'ny tady ny zanany roa lahy, 5 sy 3 taona, lahikely avokoa. Rehefa vitany izany dia nofatorany tady ny tendany, nampiany sakaosy nisy zavatra mavesatra tao anatiny ary dia nitsambikina tany anaty rano izay tsy lavitra ny tranony izy. Samy maty avokoa izy telo mianaka. Araka ny vaovao ihany dia toa hoe disadisa teo amin'ny tokantranon'ilay lehilahy sy ny vadiny no nahatonga izao zavatra izao. Efa tsy nifanaraka intsony izy mivady ireo. Niafara tamin'ny fisarahana izany. Lasa nandeha ilay ramatoa ary navelany tao amin'ilay lehilahy izy roa lahy kely. Rehefa afaka andro maromaro dia voalaza fa nahazo taratasy avy any amin'ny kaominina ilay rangahy niantso azy mba ho tonga any amin'ny birao ny alatsinainy faha-14 janoary. Ny alahady talohan'io, izany hoe ny faha-13 janoary, asa izay zavatra niseho marina tao an-tranony fa dia io niafara tamin'ny fahafatesan'izy telo mianaka io. Rehefa tsy tonga tany amin'ny birao ity lehilahy ity dia notadiavina. Ny olona no nahita ny fatiny natsingevan'ny rano. Nampiakarina teny amin'ny sisiny. Avy eo nojerena tao an-trano ka ireo vatana efa mangatsiaka no hita tao. Ny vaovao ihany no nahalalana fa nipetraka teo ambony fatin'izy roa lahy kely ny taratsy fiantsoana avy any amin'ny birao. Maro ny resaka re manodidina izao tranga mampalahelo izao. Anisan'izany ny hoe   tadiavin'ilay vehivavy sy ny fianakaviana halaina ireo zaza. Ankevin'izany no tsy zakan'ilay lehilahy. Ny famotorana ataon'ny mpitandro filaminana no tsy maintsy ahalalana bebe kokoa mikasika ireto fahafatesana ireto.
Lova
Faist divers 

6132midi-mg-007204-932-16012008 Voatifitra teo amin'ny kibony Rolakely
Halatra.
Voatifitra teo amin'ny kibony Rolakely
  Tamin'ny alatsinainy teo, raha tonga hisambotra azy teny amin'ny faritra Ambolokandrina ny mpitandro filaminana, dia mbola saika handositra ny mpangalatra kalazalahy iray antsoina hoe Rolakely. Voatery nampiasa basy ireo hisambotra. Voa teo amin'ny kibony ilay jiolahy ka tsy afaka nihetsika intsony. Nalefa notsaboina izy ary toa efa tsy misy atahorana intsony ny aminy. Fantatra fa efa im-balo nigadra ity olona ity. Talohan'ny fetin'ny faran'ny taona dia fantatra fa nirongatra ny halatra sy ny vaky trano teny amin'ny faritra Talata Volonondry. Nanao izay ho afany avokoa ny zandary nampian'ny fokonolona niarovana ny fananana. Tamin'ny 10 janoary hifoha 11 janoary dia novakian'ny sasany ny fivarotana iray teo Ambaniandrefana. Tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any. Ny tolana no nesorin'ireo mpandroba. Henon'ny tompon-trano izany ka nandrehitra jiro ry zareo. Raha vao nahita izany ireo jiolahy dia lasa nandositra. Tratran'ny mpanenjika ny iray ary nifampitolomana saingy afaka nandositra ihany. Nisy nahafantatra fa i Rolakely io. Nampilaza ny mpitandro filaminana ny tompon'ny tsena. Natao ny fanadihadiana isan-karazany ka fantatra fa manana namana antsoina hoe Setrakely monina eny Antsahamaro ilay jiolahy. Io no niaraka taminy. Nosamborina ny faha-11 janoary io ary nalefa teny amin'ny fitsarana ka nidoboka am-ponja vonjy maika ny sabotsy teo. Rolakely kosa dia efa tafandositra taty an-drenivohitra, teny Ambolokandrina ary teny izy no voatifitra.
r.s.


6132midi-mg-007205-9320-18112008 Gadra 3 namaky fonja
MAHAJANGA
Gadra 3 namaky fonja
Ny 15 novambra tamin'ny 2 ora maraina dia nisy gadra telolahy namaky rindrina ary nandositra ny fonjan'i Mahajanga. Noloahiny ny rindrina ary nivoaka avy any an-tafon-trano izy ireo. Ireto avy ny anarany: Boto Jean Barthélemy, Tsaralahatra Ambonilahy ary Ralijaona Paul. Samy jiolahy raindahiny avokoa ireo. Nanokatra ny fikarohana azy ireo avy hatrany ny tomponandraikitra any an-toerana ka nametrahana sakana avokoa ny fidirana sy ny fivoahana rehetra ao an-tananan'i Mahajanga. Nohamafisina ihany koa ny fiambenana ny fonja.



6132midi-mg-007206-9321-18112008 Rangahy maty namosaviana tamin'ny sakafo
MORAFENO
Rangahy maty namosaviana tamin'ny sakafo
Tsy nety nidina hatrany an-kibo fa nibahana teo amin' ny tendan' ilay rangahy ny sakafo nohaniny. Fotoana fohy taorian'izay, nivonto ny tarehiny ka nentina namonjy dokotera haingana izy. Rehefa nojerena ilay sakana teo amin' ny tendany, efa nidina fa tsy tao intsony. Mbola nivonto ihany anefa ny tavany ary niha-nitombo hatrany izany. Voatery nandefa ilay marary tany Sambava ny dokotera, mba hanatona tobim-pahasalamana lehibe. Nojerena tao an-kibony tamin'ny alalan'ireo fitaovana raitra ilay zavatra namparary azy saingy mbola tsy hita ihany. Telo andro no nahatongavany tao amin'ilay toerana nitsaboana azy dia tsy tana ny ainy. Tamin' ny fanadihadiana nataonay no nahalalana fa nisy ramatoa iray avy any Antalaha nivahiny tao amin' izy ireo tamin'ny fotoana nitrangan'io fahakendana tampoka io. Voalaza fa rahavavin'ny vadin'ilay rangahy maty io vahiny namangy tany an-toerana io. Samy nandeha tany an-tsaha izy mivady namonjy ny asa fanaony andavanandro, ka ilay vahiny no nasaina nikarakara ny sakafo tao an-tokantrano. Tamin'ny fiverenany avy any an-tsaha, nihinana ilay ambim-baryilay rangahy ary teo no nahavoa azy. Raha vao nentina namonjy dokotera anefa ilay rangahy dia nody tany Antalaha avy hatrany io ramatoa mpamangy io. Nanahy avy hatrany ilay vahiny ny rehetra. Fantatra ihany koa fa mbola manana olana ara-bola tamin' ilay maty izy. Tany Ankazomihogo - Morafeno any Sambava no nitrangan'izany. Ny sabotsy lasa teo no nalevina ny razana.



6132midi-mg-007207-9322-18112008 Rangahy maty nitifi-tena
ANTSAHAVARIBE
Rangahy maty nitifi-tena
Nisaraka izy mivady tamin' ny volana oktobra lasa teo. Natao anefa ny ala nenina rehetra ny amin' ny fomba izay hamerenana an-dramatoa. Nony farany dia nanaiky ihany izy. Ny nahagaga anefa raha vao niverina taminy ilay vadiny, dia namono tena avy hatrany ilay rangahy. Nahitsiny teo amin'ny fony ilay basy ary napoakany. Nisavorovoro avy hatrany ny teo amin' ny manodidina, tao ireo niteny fa mety tsy ho zakan'ny eritreriny ny fialan'ilay olon-tiany ka nandeha tany amin' ny hafa, nefa niverina indray. Maro ny nanondro ilay ramatoa vadiny ho rangory fototry ny afo tamin'ny fahafatesam-badiny. Tany Marovitsika Antsahavaribe, distrikan' i Sambava no nisehoan' izany ny fiandohan'ny volana novambra lasa teo.



6132midi-mg-007208-9323-18112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Andohanimandroseza. Rasta maty an-drano. Nilomano tao amin'ny ranon'i Mandroseza ity tovolahy ity omaly antoandro. Nilentika izy ary tsy nipoitra intsony. Voalaza fa tsy dia salama saina loatra izy io.
 - Analakely. Miaramila sandoka manendaka. Manao fanamiana miaramila ny iray, ary ny iray manao akanjo tsotra. Misava karatra sy maka vola eny Analakely izy ireo ny alin'ny zoma. Nosamborina ary fantatra fa miaramila sandoka. Naiditra am-ponja omaly.
Nangonin'I Delphine 


6168midi-mg-007247-9363-19112008 Jiolahy maty voatifitra
SAMBAVA
Jiolahy maty voatifitra
Voatifitra teo amin' ny tratrany ilay jiolahy saika handeha hangalatra solika tao amin' ny trano fivarotan' ny Sinoa iray, tao amin' ny Fokontany Antaimby -Sambava. Ny alin' ny alatsinainy hifoha talata lasa teo no nisehoan' izany, tany an-toerana. Araka ny nambaran' ilay mpiambina dia telo lahy ireo jiolahy no nanafika tao amin' ilay toerana izay nambenany, voalazany ary fa nitondra jerikanina isanisany  ireto mpangalatra ireto mba hamatraran' izy ireo ny solika tamina Kamiao roa izay nijanona tao amin' ny toerana nambenany. Nampitandrina ireto mpanafika azy ilay mpiambina mba tsy hehitsika, saingy vaky nandositra avy hatrany ry zalahy raha vao naheno olona niteny, ary dia nivoaka teo amin' ilay vavahady be fidirana. Raha vao tafavoaka ilay toerana ireto mpanafika dia nandefa tora-bato variraraka tany amin' ilay mpiambina. Voatery niaro tena izy ka nanao tifitra fanairana azy ireo mba hampitsahatra ny tora-bato. Kanjo nahavoa ny iray tamin' izy ireo izany tifitra fampitandremana izany. Tafatsoaka kosa ireo namany hafa. Mbola afaka nandeha sahabo ho folo metatra teo ho eo ilay voatifitra vao nianjera ary mbola niteny kely talohan' ny nahafatesany tanteraka. Nanontaniana ireo namany izy ary nilaza hoe: tsy maintsy ho faty aho, ka tsy misy tokony hanondroako ireo namako intsony. Rangahy iray miasa amin' ny Tranom-barotra ao Sambava no nambaran' ity jiolahy fa mahafantatra ny momba azy, rehefa nanontanian' ny  mpitandro ny filaminana izy.
Rémi/Mamy Augustin. 


6168midi-mg-007248-9364-19112008 Ramatoa be nangalatra basina polisy
HALATRA. Rehefa tsy nahatsiaro tena intsony ilay polisy dia nojaikoin-dramatoa mangingina ny basy sy ny bala.
Ramatoa be nangalatra basina polisy
Niakatra fitsarana omaly ilay raharaha halatra basy tao amina trano fisotroana iray teto an-drenivohitra. Tsy nivoaka teo no ho eo ny didim-pitsarana, fa miandry ho amin'ny 25 novambra. Ramatoa iray tokony ho eo amin'ny 55 taona teo no notsaraina tetsy amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy, tao amin'ny efitra faha-6, noho ny fiampangana azy ho nangalatra basina polisy. Tao amin'ny trano fisotroana iray teto an-drenivohitra no niseho ny tantara. Araka ny fanambaran'ilay polisy tompom-basy dia raha avy nanao  service  iny izy ka hamonjy fodiana dia niditra tao amina trano fisotroana hanala harerahana. Nandritra ny fotoana nisotroany dia teny am-balahany hatrany ilay basy PA MAC 50 niaraka tamin'ny bala fito. Nitohy ihany anefa ny fisotroana ka niafara tamin'ny fahamamoana, ka rehefa tsy nahatsiaro tena intsony ity polisy ity dia nojaikon-dramatoa mangingina ny basy sy ny bala. Tany Ilakaka ity ramatoa ity vao tratra, raha teto Antananarivo no nangalarany ny basy. Tsy nolazainy mazava moa izay antony tena nangalarany ny basy, fa tsapa amin'ny raharaha tahaka izao ny tandrevaka nataon'ity polisy ity. Niaiky ny helony ity ramatoa voampanga ity ary miandry any am-ponja mandra-pivoakan'ny didim-pitsarana,s amin'ny faha 25 ny volana novambra ho avy izao. Na izany aza nefa dia nanankiana mafy ilay polisy nitory ny Mpitsara noho ny tandrevaka nataony, satria tany amin'ny toerana tsy tokony hitondrany azy no nitondrany basy, ary nanantitrantitra ny Mpitsara fa tsy tokony hiaraka ny basy sy ny alikaola. Isan'ny antony mampiparitaka ny fitaovam-piadiana sy mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika izany. 

Lire aussi - Itaosy : 2ha de culture de cannabis sur un îlot - Sambava : Jiolahy maty voatifitra 


6168midi-mg-007249-9365-19112008 Misy mandrahona ho faty ny CCR-n'ny rano sy ala
ANTALAHA
Misy mandrahona ho faty ny CCR-n'ny rano sy ala
Naharay taratasy nalefa paositra, avy amin'olon-tsy fantatra, misy fandrahonana ho faty ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny rano sy ala any Antalaha. Taratasy izay mirakitra fampitandremana fandrahonana ho faty ary fandroahana hody an'ity tomponandraikitra ity. Toy izao no voarakitra ao anatin'ilay taratasy: ANTALAHA 06 NOVAMBRA 2008. CHEF HOVALAHY CIREF ANTALAHA; TOMPOKO, FILAZANA AMBARA ANAO. MANAMBARA ANAO IZAHAY VAHOAKA. IANAO HOVALAHY, FATINAO NO AKAN'NY HAVANAO MODY ANY ANTANANARIVONAO ANY. LALANA, FANJAKANAO NO AHITANAO FASANA, TSY IVOAHANAO VELONA ETO ANTALAHA. KAKAZONJANAHARY IO TABATABANAO IZAHAY IO, FA TSY KAKAZONAO SY RAVALOMANANA. OMEO PHOTOCOPIE RY RAVALOMANANA SY NY LEHIBENAO AO AMIN'NYSERVICE ANY ANTANANARIVO. TSY ATAHORANAY ARY TSY MISY DIKANY AMINAY. DELAI FARANY OMENAY ANAO 01 MOIS MBA HANAMBOARANAO BAGAGES-NAO MODY. TSARATSARA ANAO MODY. ITY ROANJATO ARIARY VIDIN-DRANOMASONAY VAHOAKA ARY SARAN-DALANAO HO ANY ANDANITRA. HOY NY VAHOAKA ANTALAHA, MALAY HOVA KARAHA ANAO IO.
Tsy mbola fantatra izay tompon'antoka amin'izao raharaha izao fa efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Nangonin'i r.s 


6194midi-mg-007276-9390-20112008 Faty natsingevan'ny rano
TANJOMBATO
Faty natsingevan'ny rano
Nahitana fatin-dehilahy nitsingevana tao amin'ny ranon'Ikopa, teny amin'ny faritr'i Tanjombato omaly. Lehilahy manodidina ny 30 taona eo ilay izy. Araka ny voalazan'ny olona eny amin'ny manodidina, dia efa ho telo andro no tsy nahitana azy ary izao izy hita faty teny Ikopa izao. Mbola tsy voafaritra mazava aloha hatramin'izao izay tena antony marina nahafaty azy. Olona sendra nandalo teny amin'ny manodidina teny no nahita ny razana ary nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany ary niantso ny mpamonjy voina hampakatra ny razana. Naterin'ny BMH eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana taorian'izany hanaovana fizahana. Efa mandeha ny famotorana ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny antony nahafaty an'io lehilahy io. Nonina teny amin'ny faritr'Ankaraobato izy, araka ny filazan'ny fianakaviany. Efa ela no nitadiavana azy, satria efa tamin'ny alahady izy no niala tao an-tranony ary tsy hita mihitsy. Manahy ihany ny fianakaviana amin'ny nahafatesan'ity lehilahy ity. Toa tsy dia nanana olana loatra teo amin'ny fiaraha-monina izy, hoy izy ireo.



6194midi-mg-007277-9391-20112008 TAPATAPANY
TAPATAPANY
 - Ambohidratrimo. Lozam-pifamoivoizana. Loza niseho ny 17 novambra lasa teo  tamin'ny 05 ora hariva, tao Andafiavaratra, Ivato firaisana. Lehilahy iray 25 taona, mpiasan'ny SOGEA SATOM, teo am-panosehana borety no voafaokan'ny fiara mini-bus NISSAN. Mbola tsy nalalaka ny lalana nefa nanao fisongonana no sady nandeha mafy ilay fiara. Naratra mafy ilay voadona ary nalefa teny amin'ny HJRA. Vaky kosa ny pare-brise ary pempo ny parechoc-n'ilay fiara. Ny Zandary eny Mandrosoa Ivato no manao famotorana. 
 - Miarinarivo. Fiara nifaoka olona. Ny 17 novambra lasa teo tamin'ny 05 ora sy fahefany hariva, tao Soamahamanina, Miarinarivo, fiara mazda nandona mpandeha an-tongotra niampita arabe. Lehilahy 23 taona monina any Tsiroanomandidy io voadona io. Naratra izy ary nalefa any amin'ny HJRA. 
 - Faritra Boeny. Nisy namaky ny Doany. Ny 17 novambra tamin'ny 12 ora antoandro, tao Mitsinjo dia tonga tao amin'ny zandary Mitsinjo ny vehivavy iray, solontenan'ny Mpanjaka, nilaza fa misy misokatra ny varavaran'ny doany. Natao ny fizahana miaraka tamin'ny manam-pahefana tany an-toerana, ka ny varavaravana fidirana voalohany no vaky; ny sisa tao anatiny kosa tsy nisy voakitika. Tsy nisy zavatra very. Nanaovana fisafoana isak'alina any an-toerana.
 - Ambatomainty. Halatr'omby. Ny 16 novambra misasakalina tao Andebadeba, Ambatomainty dia nangalarin'ny dahalo ny omby 60. Rehefa nataon'ny zandary sy ny fokonolona ny fanarahan-dia dia tratra tao atsinanan'ny tanànan'Andranolava, tao Andebadeba ihany ny omby rehetra ary lasa nandositra avokoa ireo dahalo. Efa tafaverina amin'ny tompony ny omby rehetra.


6194midi-mg-007278-9392-20112008 Nitifitra variraraka ireo jiolahy, olona iray rotiky ny bala
ARIVONIMAMO. Nahitana taim-bala 24 niparitaka tao amin'ilay trano, ny roa mbola tsy nipoaka. Basina mpitandro ny filaminana raha ny fijery azy.
Nitifitra variraraka ireo jiolahy, olona iray rotiky ny bala
Olona iray maty ary 2.500.000 Ia no very nandritra ny fanafihan'ny jiolahy ny tokantrano iray tao Arivonimamo, fokontany Mananetovohitra, kaominina Ambohipandro ny alin'ny 4 novambra lasa teo. Tokony ho tamin'ny misasak'alina no tonga tao amin'ilay tokantrano ireo mpanafika. Niditra avy eny am-baravarankely izy ireo. Nambanany basy ny olona tao an-trano ary notereny hanome volabe. Tsy vitan'izay anefa fa rehefa azony ny vola dia nanao tifitra variraraka ireto olon-dratsy.
Lavo tamin'izany ilay raim-pianakaviana tao an-trano. Bala telo no niantefa teny aminy. Vao nahazo ny vola ireo mpanafika dia nirifatra nandositra. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ka rehefa natao ny fizahana ny toerana nisian'ny fitifirana dia nahita taim-bala 24 ka ny 18 tamin'ireo dia balana Kalachnikov, ny 6 ambiny kosa balana poleta, ka ny roa tsy mbola nipoaka. Raha ny fijerin'ireo mpanao famotorana dia basy fampiasan'ny mpitandro ny filaminana ihany ireo basy nampiasain'ny mpanafika ireo. Manahy izy ireo sao misy ifandraisany amin'ilay fahaverezana basy tao amin'ny tobin'ny zandary tao Miarinarivo io fanafihana io.
Nandray an-tanana ny famotorana ny zandary avy ao amin'ny paositra ao Ambohimandry. Taorian'ny fikarohana dia olona 5 no voasambotr'izy ireo. Ny alatsinainy teo no natolotra ny Fitsarana izy ireo ary notanana vonjimaika any am-ponja.
Manahy ny zandary sao isan'ireo basy very tany Miarinarivo ireto nampiasain'ny jiolahy nanafika ireto. Fotoana fohy taorian'ny fisokafan'ny famotorana dia naharay vaovao ny zandary fa misy olona mampiahiahy ao an-toerana ka nosavaina ny tranony. Nahitana grenady roa tao amin'io lehilahy io. Voalaza fa ombiasy izy io ary rehefa nofotorana dia nilaza fa grenady hitany tany am-bodihazo ireo tratra tao aminy ireo. Natolotra ny Fitsarana izy ary efa any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Ireo basy nampiasain'ireo mpanafika kosa tsy mbola hita hatramin'izao.

Lire aussi - Tanjombato : Faty natsingevan'ny rano - Tapatapany 


6231midi-mg-007319-9432-21112008 Maty notsatohana  barre à mine  teo amin'ny lohany
Vonoan'olona
Maty notsatohana  barre à mine  teo amin'ny lohany
Vehivavy iray no namoy ny ainy vokatry ny tsatoka  barre à mine  teo amin'ny lohany. Nandritra ny fanafihana niseho tamina fianakaviana iray tany Ankazobe no nisian'izany tamin'ny faha-15 jolay lasa teo. Misy olona tsy lavitra ahian'ny fianakaviana ho nahavanona izao zavatra izao ka nametraka fitoriana eny amin'ny tribonaly izy ireo.
Raha tsahivina ny zava-niseho tamin'io andro io dia maty nisy namono tao an-tranony tao Ankazobe Vonizongo Manankasina FKT Mandrosoa Ramiliarisoa Zoelinirina. Tamin'ny 9 ora alina no voalaza fa nanafihan'ireo jiolahy ny trano nisy an'ity ramatoa ity, niaraka taminy tao ny vadiny faharoa izay vadiny ara-pomba fotsiny ihany. Nopoirin'ireo mpandroba tamin'ny  barre à mine  ny varavarana nahafahany niditra. Rehefa azon'izy ireo ny entana nilainy dia novonoiny tamin'ny fomba mahatsiravina ity renim-pianakaviana ity satria tsatoka barre à mine teny amin'ny lohany no nahafaty azy. Ilay rangahy kosa nefa tsy naninona fa araka ny tatitra nomen'ny fianakaviana dia ny tosidrany fotsiny no niakatra fa ny zanany vavy aza no naratra. Rehefa maty ilay ramatoa dia navelan'ireo jiolahy teo ilay rangahy vadiny. Voalaza ihany koa fa tsy nandingana ny toerana nisy ny razana akory ity rangahy vadiny ity raha tsy iray andro mialoha ny fandevenana fa nilaza ho nitsabo tena tany Antananarivo.



6231midi-mg-007320-9433-21112008 Tovolahy mamon-drongony, nandrovitra sainam-pirenena
Sambava
Tovolahy mamon-drongony, nandrovitra sainam-pirenena
Norovitiny tamin'ilay antsy be teny an-tanany ny sainam-pirenena, teo amin'ny tsangam-bato Antanifotsy II. Tsy vitan' izay fa mbola nohitsakitsahiny ary nafatony teo amin'ny lohany avy eo. Tsy sahy nanakana azy tamin' izany fihetsika mamohetra izany ireo olona teo amin'ny manodidina ilay toerana nisy ny tranga, eny fa na dia ireo polisim-pokontany aza. Samy natahotra ilay antsy be teny an-tanany avokoa ireo nahita azy. Azo heverina fa manimbazimba ny zom-pirenena malagasy tanteraka ity tovolahy ity, ary tena nihantsy mihitsy izy ho an' izay olona mahasahy manatona ka hampitsahatra ilay fihetsiny. Nakasony teo amin' ny godorao ilay antsy be teny aminy ary nataony izay hitselaran'iny afo. Tsy sahy nihetsika moa ireo olona manoloana ny habibiany. Marihina fa zanak' olona eo amin'ny manodidina ilay tsangam-bato ihany io tovolahy io, izay manika ny faha-20 taonany mahery. Tamin' ny resaka heno ombieny ombieny no nahafantarana fa mandray zava-mahadomelina izy. Mety ho efa tsy zakany intsony izany ka nahatonga azy hanao ny tsy fanao toy izao. Maro ihany koa ireo mponina ao amin'io toerana io efa nampihorohoroiny ka nanapa-kevitra ny tao amin'ny fokontany niantso ny zandary any an-toerana. Nandray andraikitra avy hatrany ireto farany, ka ny alin' ny alarobia lasa teo ity tovolahy ity no voasambotra ary efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana any Sambava.
Mamy Augustin. 


6231midi-mg-007321-9434-21112008 Tapatapany
Tapatapany
 Ivato - Vazaha nifoka sigara tao anaty fiaramanidina. Tsy nanaiky ny tompon'ny zotram-piaramanidina raha nahatratra ity vazaha ity nifoka sigara tao anaty raopilanina ka nitondra ny raharaha teny amin'ny fitsarana. Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ity olona ity. Araka ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifamoivoizana an'habakabaka, dia tsy azo atao mihitsy ny mifoka sigara anaty fiaramanidina.
 Antsirabe - Lehilahy maty voadonan'ny fiara. Lehilahy iray no fantatra fa maty nodomina fiara 4X4 teny amin'ny faritry Manandona Antsirabe tamin'ny faha-19 novambra lasa teo. Nandeha nizotra tsara tamin'ny lalany ity olona ity no izao voadona izao. Maty teo noho eo izy.
Nangonin'I r.s. 


6231midi-mg-007322-9435-21112008 Fianakaviana hitondra zaza hodidiana voaendaka
Antsirabe. Ny fahoriana efa mianjady, ny mpanendaka koa manao ny ataony.
Fianakaviana hitondra zaza hodidiana voaendaka
Mbola vao teo amin'ny varavaran'ilay taxi-brousse handeha hivoaka izy mianakavy no nisy nisintona avy hatrany ny entana teny aminy. Tsy fantatra na iza na iza no nanao izany satria nanjavona ilay mpangalatra. Very tamin'izany ny fitafiana rehetra sy ny vola. Omaly vao maraim-be, tonga tamin'ny taxi-brousse avy any amin'ny tanàna atao hoe Antsampandrano Antanifotsy ireto fianakaviana ireto. Rehefa teny amin'ny fiantsonan'ny taxi-brousse teny Vatofotsy, nidina toy ny mpandeha rehetra izy ireo ary tamin'izay no nisintonan'ny sasany ny entana.
Anisan'ny fianakaviana sahirana ireto voaendaka ireto. Saika ho any amin'ny trano fitsaboana any Antsirabe izy ireo hitondra ankizy ho didiana. Manoloana ny zava-nisy anefa dia najanona indray ny fitsaboana tokony natao satria very ny vola.
Endaka. Tsy vao izao no nisy ny asa fanendahana eny amin'ny fiantsonan'ny taxi-brousse eny Vatofotsy fa efa elaela ihany izay, araka ny vaovao fantatra. Mody miaraka amin'ireo mpanera ry zalahy. Tsy mandeha irery izy ireo fa manao andiany. Raha vao azony ny sakaosin'ireo mpandeha dia mivadika moramora any anaty aizina any izy ireo ary tsy hita intsony.
Mirongatra izay tsy izy ny halatra isan-karazany tsy eny amin'ny fiantsonan'ny fiara ihany fa eny an-tsena rehetra eny. Ny eny akaikin'ny taxi-brousse, vao tsy ela izay no nandraofana mpanera marobe taty an-drenivohitra. Voatondro ny sasany amin'izy ireny fa mifandray tendro amin'ny mpangalatra. Am-polony maro no voasambotra tamin'izany. Vao miha-milamina kely anefa ny fandehan-javatra dia miverina indray ny fanendahana. Raha mbola maraina be, amin'ny toerana sasany, dia tsy sahy manala olona intsony ny fiara fitaterana.
Lova 
Lire aussi - Itaosy : Un collégien mort noyé - Vonoan'olona : Maty notsatohana  barre à mine  teo amin'ny lohany - Sambava : Tovolahy mamon-drongony, nandrovitra sainam-pirenena - Tapatapany 


6244midi-mg-007336-945-17012008 Torotoro tanteraka ilay lehilahy
Lozam-pifamoivoizana.
Torotoro tanteraka ilay lehilahy
Tamin'ny alahady teo, tany Antsirabe Avaratra, no niseho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana lehilahy iray. Voahosin'ny kodiarana aorian'ny kamiao  semi-remorque  iray ilay izy.
Nijanona tamin'io tanàna io ity fiarabe ity satria hisakafo ny mpamily sy ny olona niaraka taminy. Rehefa vita ny fisakafoana dia roso ny dia. Niteny tamin'ilay saofera ity ranamana ity fa ho any amin'ny trano fivoahana. Asa na somary elaela izy na ahoana fa lasa nandeha ilay kamiao. Voatery tsy maintsy nanenjika avy ao aoriana izy. Tsy nisavika teo amin'ny varavarana anefa fa teo amin'ilay toerana mampitohy ny lohan'ny fiara amin'ny remorque no nijapy. Ny tanany iray nitondra voankazo fa ny iray ihany no namikitra. Asa izay nitranga fa nianjera izy ary avy hatrany dia voahosin'ny kodiarana. Ny tena angano, tsy hitan'ilay mpamily izany fandehan-javatra izany. Fiara hafa avy aty aoriana no nampijanona azy. Izay vao nojerena ka tsy nisy zavatra azo natao intsony.
Remi R.


6253midi-mg-007346-9459-22112008 Père Rémy Ralibera s'est éteint
EKAR
Père Rémy Ralibera s'est éteint
 
Le Père Rémy Ralibera est décédé, hier, à l'âge de 82 ans. Ce père jésuite qui a évolué dans plusieurs domaines, a marqué son temps. En effet, il a été Secrétaire Général du FFKM, président de l'Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM), rédacteur en chef de Lakroa an'i Madagasikara. De son vivant, il a même fait des incursions dans la sphère politique, en étant membre de l'UFN. Notons qu'il a été ordonné prêtre le 27 juillet 1954. Soit 54 ans au service de l'église catholique romaine. Dans le milieu des années 50, il a fait ses études à l'université grégorienne de Rome pour en revenir au pays juste après l'indépendance. Midi Madagasikara présente ses sincères condoléances à sa famille.
Dominique R. 
 
Politique 

6253midi-mg-007347-946-17012008 Nofaritana ny toerana azo hivarotan-tena
Antsirabe.
Nofaritana ny toerana azo hivarotan-tena
  Hetsika maro no efa nataon'ny polisy eto Antsirabe mba hamerana indrindra indrindra ny fivarotantenan'ny ankizy tsy ampy taona sy ireo tsy manara-dalàna. Fantatra amin'izao fotoana izao fa eny amin'ny faritra Antsenakely ihany sisa no hahazoan'ireo manao asa fivelomana io zavatra io handehanana. Tsy azon'izy ireo atao intsony ny miasa any amin'ny toeran-kafa. Noraisin'ny tomponandraikitra izao zavatra izao satria hita fa na maro aza ny hetsika natao niarovana ny tsy ampy taona dia mbola misy ihany izy ireny mitsangana eny rehetra eny indrindra rehefa maizina ny andro. Tamin'ny faha-14 janoary teo, nanao hetsika hafa indray ny mpitandro ny filaminana ka mpivarotena miisa fito no nosamborina, tsy ampy taona ny roa tamin'izy ireo. Marihina fa efa manan-janaka ireo vehivavy tsy ampy taona mivarotena ireo. Ankoatr'izany, mitohy hatrany toy ny teo aloha ny fisavana karatra sy karinen'ireo mpivarotena.
Lova  


6256midi-mg-007351-9463-22112008 NULL
Tapatapany
 - Lozam-pifamoivoizana. Nandositra ilay fiara BMW iray nandona lehilahy iray 42 taona nanosika moto scooter, monina ao Ampasika. Naratra mafy io lehilahy io ary nalefa tao amin'ny HJRA. Nitsoaka nandositra ilay fiara ary mbola karohina amin'izao fotoana izao. Teny Bemasoandro Itaosy no niseho ny loza tamin'ny faha-20 novamndra teo tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany.
 - Lakana rendrika, olona telo tsy hita . Tamin'ny faha-19 novambra teo, rendrika ny lakana iray nitondra litchis. Niala tany Amboabe izy io ho any Soanierana Ivongo. Ny tompony ihany no nitondra azy. Tsy fantatra anefa izay zavatra nitranga ary tsy fantatra ihany koa ny isan'ny mpandeha nentiny. Hatramin'izao, olona telo no tsy hita. Mitohy hatrany ny fikarohana azy ireo.
 Nosy Be- nahitana rongony .  Rongony efatra gony milanja 41 kilao no hitan'ny zandary nanao fisafoana teny amoron-dranomasina tamin'ny faha-20 novambra teo tany Nosy Be, tokony ho tamin'ny 8 ora alina. Ampombolava, fokontany jabala no misy io moron-dranomasina io. Hatramin'izao, tsy fantatra ny tompon'ireo rongony ireo. Efa mandeha ny famotorana ataon'ny zandary.
 - Faty tao anaty tatatra . Tamin'ny alakamisy lasa teo no nahitana ny fatina lehilahy iray teo anaty lavaka misy rano. Tsy lavitra ilay razana, nisy maloto. Tsy fantatra marina ny antony nahafaty ity olona ity. Iray volana lasa izay dia efa nanandrana namono tena izy. Avotra ihany anefa. Tsy hay ity fahafatesana ity, araka izany, na famonoana tena fanindroany na ahoana. Kamboty ray sy reny izy ary tsy manana havana mihitsy ao Antsirabe.
Nangonin'i r.s.
 


6256midi-mg-007352-9464-22112008 Nahazo fiara 7 hitondrana voafonja
Fonja Antanimora
Nahazo fiara 7 hitondrana voafonja
 
Omaly maraina no nototonsaina teny Antanimora ny fandraisana araka ny fomba ofisialy ny fiara miisa fito ho an'ny fonja eto amintsika. Natokana ho fitondrana ireo voafonja izany ary fanomezana avy amin'ny filoham-pirenena. Mitondra ny marika mercèdes izy ireo. Samy hahazo izany ireo fonja lehibe enina amin'ny renivohi-paritany teo aloha, ary ny fahafito dia ho an'ny fonjabe eny Tsiafahy.
Tonga nanolotra izany fiara izany ny sekretera jeneralin'ny prezidansa sy ramatoa Minisitry ny Fitsarana. Ireo fiara ireo dia ho fanampin'ireo efa miasa izay hita fa tsy ampy tokoa amin'ny fitondrana ireo olona hotsaraina sy ahiditra an-ponja rehefa avy eny amin'ny fitsarana.
r.s.
 


6256midi-mg-007353-9465-22112008 Olona nisy namono, lanin'ny alika ny tapany ambony
Mananjary
Olona nisy namono, lanin'ny alika ny tapany ambony
 
Ny tapany ambanin'ilay tovolahy sisa hitan'ny olona, efa lanin'ny alika kosa ny tapany ambony. Izany no zavatra nisy tany amin'ny Tanana atao hoe Vohilavakely kaominina Andranomavo any Mananjary. Tovolahy 18 taona, mpivaro-mandeha no fantatra fa nisy namono ary nalevina teny an-tanimboly. Rehefa avy eo anefa, nadian'ny alika ny lavaka ary dia io lany io ny vatany. Mbola hita teo akaiky teo kosa anefa ny karan-dohany izay nahitana kapa antsy satria nisy loaka be.
Araka ny vaovao, mivarotra any amin'io tanana io ity tovolahy ity no sady maka sary. Rehefa mahalafo entana izy dia mividy volamena. Tamin'ny fotoana namonoan'ny sasany azy dia voalaza fa nisy vola 1,3 tapitrisa ar tany aminy. Tsy hita izay nalehan'izany niaraka tamin'ny sakaosy feno lamba sy ny fakantsary. Nanana bisikileta ihany koa izy, ary misy mahita entin'olona io fitaovana io.
Raha ny fandinihana ny razana dia tombanana ho tany amin'ny fiandohan'ny volana novambra tany no maty ity olona ity. Nandeha avy hatrany ny famotorana ka amin'izao fotoana izao dia olona dimy no nosamborina. Voarohirohy amin'ity vonoan'olona ity izy ireo.
HAR
 


6256midi-mg-007354-9466-22112008 Nasiaka be tamin'ny Sandratra, hono, ny reniny hatramin'ny fahakeliny
Nasiaka be tamin'ny Sandratra, hono, ny reniny hatramin'ny fahakeliny
 
Vonoan'olona teny Mahamasina. Efa ho iray volana latsaka kely no nampidirina vonjy maika eny am-ponja ireto tanora roa ireto. Mbola mitana ny sain'ny mpanara-baovao ihany anefa ny zava-nisy
 
Hatramin'izao, araka ny resaka nifanaovana tamin'ny tompon'andrikitry ny fonja eny Antanimora, dia vao indray mandeha ihany no nisy olona tonga namangy an'i Sandratra teny an-toerana. Araka io vaovao io, dia ireo mpisolo vava roa vavy no nanao izany. Raha izany dia ireo no iraky ny fianakaviana. Mikasika ny resaka mpisolovava dia fantatra tamin'ny resaka nifanaovana ihany koa fa ilay vehivavy ihany aloha no manana mpisolovava fa ilay tovolahy, i Mamy izany, kosa dia toa tsy mbola nahazo an'izany. Ny vaovao hafa re anefa dia milaza fa toa hitambaran'izy roa ireo mpisolovava ireo.
Famotorana. Tamin'ireto tanora ireto natao famotorana tany amin'ny mpitandro filaminana moa dia niaiky izy ireo ho nanao ny heloka. Voalaza tamin'izany ny antony namonoany an'izy mivady sy ny mpanampy : tsy famelana azy ireo hiaraka , na ny marina kokoa, tsy navela hivady ry zareo. Fantatra koa anefa fa toa misy antony hafa. Tamin'ny famotorana ihany no nahalalana izany : tena faran'izay nasiaka tamin'ny Sandratra, hono, ny reniny hatramin'ny mbola fahakeliny. Izany antony izany anefa ve moa dia ampy hamonoana olona.
Amin'ny resaka heloka toy itony, dia tsy maintsy mbola hitohy eny amin'ny fitsarana ny famotorana izay tsy maintsy hatao an'ireo olona ireo ary mety haharitra ela mihitsy izany. Hatramin'izao koa anefa, tsy mbola nisy izany.
Efa maro ny vaovao mikasika ity vonoan'olona ity notanterina teto amin'ny gazety izay nahavaky vava ny olona maro teto an-drenivohitra. Mbola samy miandry izay ho tohiny ny rehetra.
r.s.
 


6258midi-mg-007358-947-17012008 300 000 Ar ny karamany mamono olona
BONGOLAVA. Nahitana vokany ny fametrahana ilay  vata mainty  ahazoan'ny mponina mametraka ny zavatra tsy mety hitany indrindra ny mikasika ny fandriampahalemana.  
300 000 Ar ny karamany mamono olona
Tany amin'ny faritry Kiranomena any Fenoarivobe no voasambotra ny dahalo iray manana ny lazany manokana. Ankoatra ny maha mpangalatra omby azy dia mikarama mamono olona ihany koa izy. 300 000 Ar no azony amin'ny famonoana olona iray. Tsy vao sambany izy no nanao io asa io fa efa imbetsaka ihany. Voasarona tao anaty fandrobana anefa io asa iray io ka dia nafangaro tamina asan-dahalo tsotra ihany. Afaka mampiasa azy avokoa ny rehetra satria tsy mandà vola izy. Izany hoe, misy maniraka ny anao lahy toy ireny efa matihanina fahita maneran-tany ireny. Toerana mbola anjakan'ny asan-jiolahy iny Bongolava iny. Ity lehilahy mikarama ity dia ampiasain'ny olona matetika amin'ny resaka valifaty. Tsy mandeha tanam-polo izy amin'izany fa mitondra fitaovam-piadiana. Voalaza koa anefa fa tsy azy ny basy fa efa misy olona hafa mampanofa azy an'izany. Ny vaovao ihany koa no nahalalana fa rehefa tonga amin'ilay toerana misy olona hovonoiny izy dia afangarony amin'ny halatr'omby izany. Ilay tompon'omby matiny, ireo biby lasany. Efa an-jatony ny omby nangalarin'ity dahalo ity. Ny fametrahan'ny mpitandro filaminana ilay lazainy hoe vata mainty no nahazoana nisambotra ity mpamono olona ity. Tsy izy ihany anefa no nisy nitory tao anaty vata fa ny lehilahy iray havanana tokoa tamin'ny fanaovana hosoka amin'ny taratasin'omby. Efa niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ity farany ity.    
Lire aussi
Téléphone à l'école : Grogne des parents !
  Antsirabe : Nofaritana ny toerana azo hivarotan-tena  
Lozam-pifamoivoizana. : Torotoro tanteraka ilay lehilahy


6268midi-mg-007371-9484-24112008 Gadra nentin'ny polisy maty nitsoraka avy eny ambony tetezana
Fianarantsoa
Gadra nentin'ny polisy maty nitsoraka avy eny ambony tetezana
Nalentiky ny rano, ary tsy hita raha tsy ny ampitson'iny, ilay tovolahy nentin'ny polisy ka nitsambikina avy eny ambony tetezana. Nosamborin'ny polisy ity tovolahy efa gadralava ity ny 17 novambra lasa teo, tany Fianarantsoa, noho izy niditra an-keriny tao an-tranon'olona ary saika hanolana zaza 13 taona. Soa fa nalaky niantso vonjy ny renin'ilay zaza ka tonga avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Voasambotra ilay tovolahy ary rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa gadra vao nivoaka ny fonja tsy ela akory ranamana izao namoa-tsampona izao. Nosamborin'ny polisy ary izy ka nentina hatao famotorana. Teny an-dalana indrindra anefa izy no nitsambikina avy eny ambonin'ny tetezan'Antsaharoa ka latsaka tany anaty rano.  Natao ny fikarohana fa tsy hita ilay tovolahy. Ny ampitso vao hita natsingevan'ny rano ny fatiny ary mbola mipetaka rojovy ny tanany.
Vaovao avy amin'iny faritra iny ihany, dimy lahy no voasambotry ny mpitandro filaminana, noho ny fisandohana ho mahay mampitombo vola, ny 17 novambra lasa teo. Mpampianatra iray tao Andoharanomaitso - Fianarantsoa no voan'izyireo ka nahazoany 180.000 ariary. Milaza ho mahay mampitombo vola avo 3 heny izy ireo, hay mpisoloky fotsiny. Efa voasambotra ireo ary nalefa eny am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana.
Lova/Aina R 
Lire aussi - Ampasika : Lehilahy maty nofaohin'ny fiara 


6268midi-mg-007372-9485-24112008 Lehilahy maty nofaohin'ny fiara  Trano nihotsaka  Notsatohin-dragahy antsy ramatoa
Ampasika
Lehilahy maty nofaohin'ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Ampasika ny tolakandron'ny sabotsy teo tokony ho tamin'ny 3 ora. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no nofaohin'ny fiara. Ny lohany no voadona mafyary maty noho ny ratra nahazo azy ranamana. Nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana. Tsy mbola nisy naka anefa hatramin'izao  noho izy io tsy fantatra izay momba azy. Tsy nahitana taratasy na iray aza teny aminy.
Soavinandriana
Trano nihotsaka
Nahitana trano nihotsaka vokatry ny oram-be indray  omaly tolakandro  tetsy Soavinandriana. Ny ilan'ilay trano no nirodana. Soa fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy tamin'izao loza izao fa ny entana rehetra tao amin'ilaytrano no potika tanteraka. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nijery akaiky ny zava-misy ary nanampy ny tompon-trano tamin'ny fikarakarana rehetra.
Ilafy
Notsatohin-dragahy antsy ramatoa
Adin'ny mpivady niafara tamin'ny tsatoka antsy, tetsy Ankadikely Ilafy, ny faran'ny herinandro teo. Notsatohin-drangahy antsy teo amin'ny lohany sy teo amin'ny fivaviany ny vadiny, izay vao tera-bao. Manan-janaka efatra izy mivady ary voalaza fa efa fanaon-drangahy izao. Tsy maty ramatoa saingy mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly, ary mihevitra ny hametraka fitoriana eny amin'ny mpitandro filaminana.



6306midi-mg-007412-9524-25112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Alika pozinina amin'ny sôsisy misy poizina. Tao anatin'ny alina iray dia alika 18 no maty nopoizinina tamin'ny sôsisy. Notapahina niaraka tamin'izany ihany koa ny taribin'ny JIRAMA rehetra tany an-toerana ka naharitra teo amin'ny herinandro teo vao vita ny fanamboarana. Mbola tao Ambodivoanjo Tanjombato ihany dia tranona masera no nisy nanafika, ka mba hanatanterahan'ireto mpanafika izany dia mbola nopoizininy tamin'ny sôsisy ihany aloha ireo alika.
 - Natao famotorana.  Natao famotorana teny amin'ny fitsarana Atoa RAZAFINDRAZAKA Emmanuel dit BOLO, ny 21 novambra 2008. Natao extraction avy any am-ponja. Gadra 14 hafa koa niaraka taminy no nentina teny amin'ny fitsarana tao amin'ny efitra faha 8.  Mpitandro filaminana (13) no nitondra sy niambina azy ireo. Mikasika ny raharaha fikasana hamono ny Filoham-pirenena no vontoatin'ny famotorana natao.
Nangonin'i R.D/r.s. 


6306midi-mg-007413-9525-25112008 Polisy maty tao am-piasana
ISOTRY. Nisahotaka ny tao amin'ny kaomisaria. Nitrona in-dray mandeha izy dia nihohoka dia ...izay.
Polisy maty tao am-piasana
Nodimandry tao amin'ny toeram-piasany, tetsy amin'ny kaomisarian'Isotry, boriboritany faha-4, ny polisy iray, omaly maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Avy niasa alina izy tamin'io fotoana io. Ny namany mpiara-miasa aminy no nahare azy nitrona in-dray mandeha ary nahita azy nihohoka avy eo. Noezahin'izy ireo nentina teny amin'ny hopitaly ihany, saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Polisy am-perin'asa mitondra ny grady sous-brigadier de Police ity tovolahy maty ity.
Niasa tao amin'ny boriborintany voalohany tetsy Analakely izy taloha; ary vao iray volana izay no nifindra toeram-piasana teny amin'ny kaomisarian'Isotry. Voalaza fa vao haingana izy no nandalo fandidiana noho ny aretina tsinay nahazo azy, ka tsy fantatra na misy ifandraisany amin'izany izao nahafatesany izao na zavatra hafa mihitsy. Efa nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny razana, hanaovana fizahana ifotony. Fa hatreto aloha dia fahafatesana tsotra no voalaza fa nahazo azy, na izany aza tsy maintsy hisy ny famotorana hataon'ny mpitandro filaminana sao dia misy zavatra hafa ambadika mety hampiahiahy, mpiara-miasa aminy rahateo no niharam-boina ary olona nikirakira antontan-taratasy maro saro-pady ny olona toy itony, ka tsy fantatra na mety misy ifandraisany amin'ny asany.
Mampahatsiahy ny nahafatesan'ilay polisy vavy tany anaty hotely teny Anosibe, fotoana vitsy lasa izay, ity tantara ity. Fahafatesana izay tamin'ny fomba hafahafa ary voatery nanokafana fanadihadiana mihitsy. Ho hitantsika eo ihany ny fivoaran'ny tantara fa aleo aloha ny tomponandraikitra hanao ny famotorana.

Lire aussi - Tapatapany 


6314midi-mg-007423-9536-26112008 Ankizy nandrangitra adala, maty voatora-bato
Maroantsetra
Ankizy nandrangitra adala, maty voatora-bato
Tora-bato nandrivorivo no nasetrin' ilay rangahy marary saina, tamin' ireo ankizy nanadala azy. Zaza maromaro, valo ka hatramin'ny telo ambinifolo taona, no indray nandrangitra azy, ary notononin'izy ireo tamin'ny anarana izay tena tsy tiany io adala io ka dia romotra tokoa. Ny mahagaga dia nitazam-potsiny ireo ray aman-drenin' ireto ankizy nandrangitra ireto. An-kevitry ny efa mahazatra azy ireo ny mahita ilay rangahy adala mivazavaza amin'ireo ankizy ireo. Amin'ny maha-adala azy moa dia mety hahavita fihetsika tsy tokony hatao izy ireny rehefa korontanina toy izany. Ireo ankizy kosa, na dia efa fantany hoe tsy salama saina izao aza ilay olona dia mbola nanao lalan-dririnina ihany. Ny sabotsy maraina lasa teo, raha nahita ity marary saina ity nanasa tongotra teo amoron-drano ireo ankizy ireo, dia mbola sahy nandrangitra azy ihany. Tsy nihambahamba anefa ity adala fa avy dia nandray izay vato hitany teo ambany masony ary nitoraka mafy an'ireto nananihany azy. Vokatr'izany, voatoraka teo amin'ny lohany ny iray tamin' ireo ankizy ary nivoa-drà ny tampon-kandriny. Sahabo ho valo taona mahery eo io voatoraka io ary teo am-pandosirana indrindra no nahavoazan'ilay adala azy. Rehefa lavo ka tsy afaka nandeha mafy intsony io ankizy io dia nazeran'ilay adala tamin'ny tany ary nohitsakitsahiny teo ny kibony sy ny lohany. Tsy vitan'izay fa noroitiny tamin'ny tongony nankeny amin'ilay rano ary natsipiny tao avy eo. Teo vao nifamonjen'ireo olona nahita ny zava-nitranga ilay zaza. Raha nahita ny fahavoazan-janany moa ny rain'ilay zaza dia saika hotaperiny ny ain'ilay adala saingy tsy notanterahiny ihany izany. Ny alin' ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no namoy ny ainy ilay zaza na dia efa nokarakaraina mafy aza. Voalazan'ny vaovao avy any an-toerana fa ilay hitsaka teo amin' ny kibony no nahafaty azy.



6314midi-mg-007424-9537-26112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Toliara. Taolam-paty tanaty gony. Afakomaly tamin'ny 11 ora antoandro dia nahitana gony miloko mainty iray nisy taolam-paty miisa 9 tao ambadiky ny Lycée Antaninarenina - Toliara. Taolan-dranjo 4, taolam-pe 2 an'olon-dehibe sy taolan-jaza madinika 3 ary taolan-tsy fantatra fohifohy 1.
 - Ambanja. Fanafihan-jiolahy, 300 tapitrisa Ia voaroba. Notafihin'ny jiolahy miisa dimy mitondra zava-maranitra ny orinasa TANORA, mpanangom-bokatra ao an-toerana, afakomaly hariva. Lelavola 300.000.000 Ia no voaroba. Nandositra ireo jiolahy ary tratran'ny polisy teo amin'ny sakana tao Sangaloaka niaraka tamin'ny fiara 4L nentiny saingy tsy hita tany amin'izy ireo intsony ny vola nangalariny.
 - Ambilobe. Rangahy maty tao anaty hain-trano. Ny 24 novambra alina tao amin'ny Faritra atao hoe LAIDAMA dia nisy trano may izay an'Atoa SAIDOU. Efa tafavoaka taty an-tokontany ity rangahy ity saingy raha tsy nahita ny zafikeliny izy dia niverina nanavotra an'io tao an-trano. Vao tafiditra anefa izy dia nianjeran'ny trano ka kilan'ny afo ary maty tao. Raha ny marina anefa dia tsy tao an-trano intsony ilay zafikeliny fa efa tafavoaka saingy tsy hitany.
 - Antanifotsy. Mpiasa tanimbary maty voatsindrin'ny fiara. Afakomaly tamin'ny 12 ora antoandro tao Bedia -Antanifotsy. Fiara NISSAN pick up iray no latsaka tao an-tanimbary ary nahavoatsindry ilay rangahy niasa tany.



6314midi-mg-007425-9538-26112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Ankadifotsy. Fantatry ny mponina ny nanimba ny ABRIBUS. Nisy nahita ny nahasimban'ny ABRIBUS tetsy Ankadifotsy. Kamiao no nandona azy ary fantatr'izy ireo hatramin'ny laharan'ilay fiara.
 - Fitsarana. Nivoaka ny didy tamin'ilay halatra basy. Omaly 25 novambra no nivoaka tao amin'ny Lapan'ny fitsarana Anosy, mbola tao amin'ny efitra faha-6 ihany, ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha nahatratrarana ramatoa iray nangalatra basy sy bala fito ana zandary. Nambara tamin'izany fa meloka ity ramatoa ity ary voasazy 8 volana an-tranomaizina sazy mihantona.
Nangonin'i Delphine


6314midi-mg-007426-9539-26112008 Fianakaviana malagasy any Avignon may izy efa-mianaka, maty ny iray
Loza. Tamin'ny volana janoary 2006, teratany Malagasy efatra monina any Avignon no indray maty voapoizin'ny entona monoxide de carbone. Izao indray dia misy iray maty vokatry ny hain-trano.
Fianakaviana malagasy any Avignon may izy efa-mianaka, maty ny iray
Zazalahy kely iray 11 taona no fantatra fa maty tamin'ny hain-trano niseho tany amin'ny tanàna atao hoe Avignon any Frantsa ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. May toa azy koa ny rahalahiny, ny reniny ary ny rainy ary mbola samy tsaboina any amin'ny hopitaly any Marseille. Manambady Renioney ny renin'ity maty ity. Esméralda Rahanivelo no anarany, araka ny vaovao hita tao amin'ny gazety JIR mpiseho isan'andro atsy La Réunion.
Fiandohan'ny afo. Araka ny vaovao tao amin'ny gazety ihany, môtô roa napetraka tao ambany tohatra no nirehitra voalohany. Vetivety foana dia nifindra ka nandoro taratasy sy baoritra isan-karazany nitoby tamin'ny zoron-trano ny afo ary dia tsy hay nofehezina intsony. Tao amin'ny rihina fahatelo no nipetraka ireto fianakaviana malagasy ireto, izy mivady sy ny zanany roa lahy. Nanandrana nivoaka hanavo-tena tany amin'ny tohatra ry zareo nefa efa tena mahery be ny afo ary niparitaka be ny setroka koa dia niverina tao amin'ny efitrano. Nisokatra ny varavarankely iray ka raha vao novahana ny varavarana dia nibosesika ny setroka. Tsy afa-nihetsika vokatr'izany izy roa lahy kely fa tavela teo an-dalantsara teo. Ramatoa reniny kosa, nianjera teo am-baravarana ka tsy azo nidina intsony izany. Ny rain'ireto ankizy no tao an'efitra. Be loatra koa ny setroka tafiditra tamin'ny tenany.
Vetivety ihany ny mpamono afo dia tonga teo amin'ilay toerana. Ny afo tany ambany rihana no voafehy voalohany. Rehefa niakatra tany ambony izy ireo dia nahita ireto ankizy roa nivalampatra teo an-dalan-tsara. Ilay zokiny, Jason, dia efa tsy nisy aina intsony. Ny zandriny antsoina hoe Jon Ely kosa dia may hatrany amin'ny 30%. Nentina tamin'ny hélicoptère tany amin'ny hopitaly haingana izy sy ny ray aman-dreniny izay samy may avokoa.
Ilay loza niseho tamin'ny taona 2006 dia tsy lavitra loatra an'io hain-trano io. Olona sivy, Malagasy avokoa no niharan-doza tamin'izay ka maty ny efatra. Zaza 11 taona koa ny iray namoy ny ainy tamin'izay ary mpitondra fivavahana ny faharoa. Araka ny vaovao, dia efa nampilazana ihany ny tomponandraikitra ny amin'ny mety hisian'ny loza noho ny fahanteran'ilay trano. Toa tsy nisy fanamboarana natao mihitsy anefa taorian'izany.
Nangonin'i r.s. 
Lire aussi - Maroantsetra : Ankizy nandrangitra adala, maty voatora-bato - Tapatapany (Nangonin'i Aina R.) - Tapatapany (Nangonin'i Delphine) 


6315midi-mg-007428-9540-26112008 Saika hivady, maty nazeran'ny lakana
ANJIALAVABE. Adiny roa taty aoriana vao azo tao anatin'ilay renirano izy roa.
Saika hivady, maty nazeran'ny lakana
Niara-maty an-drano izy roa, izay mpifamofo nanam-paniriana ny hivarotra any an-toerana. Efa samy mananika ny faha-25 taonany mahery avokoa izy ireo ary efa tao anatin'ny fanomanana indrindra ny raharaham-panambadiany ihany koa no izao niharan-doza izao. Nandeha lakana hiampita ny reniranon'Anjialavahely, izay mampisaraka ny Kaominina Bevonotra sy Anjialavabe, izy ireo ka teo no nitrangan'ny loza. Ny faha-7 novambra lasa teo no nisehoan' izany. Rano tsy dia be velarana loatra saingy somary mahery fanonja io nahafaty azy ireo io. Lakana nifatotra teo amoron-drano no nalain' izy ireo noho ny hamehana. Voalaza fa nisy olona maromaro ihany koa teo ampitan'ilay rano, izay niangavy azy ireo mba hiampita amin'alalan'io lakana io hahafahan'izy ireo miresaka avy eo. Nilaza ho mahay mivoy lakana ravehivavy saingy tsy nahatoky azy loatra ilay fofom-badiny ka naniraka azy irery hiampita aloha. Aorian'io, hono, vao ny olona tena azo antoka fa mahay mitondra lakana no noheveriny hitondra azy eny ampita. Niziriziry mafy anefa ramatoa fa mila miaraka ary nanome toky fa mahay lakana tsara izy. Tsy nanan-tsafidy koa rangahy fa dia nandeha nanaraka azy. Nahay lakana tokoa ilay vehivavy, araka ny fahitan'ireo olona teny ampita saingy rehefa ho avy ny tsy mety, na ny patsa iray tokoa aza tsy omby vava. Noho ny tsy fahaizan'izy ireo tsara ilay rano, dia nidona tampoka tamin'ny vato ilay lakana ary nivadika avy hatrany. Sarotra ny famonjena azy roa satria nahery loatra ilay rano. Adiny roa taty aoriana vao azo tao anatin'ilay renirano izy roa, izay efa samy tsy nisy aina avokoa. Avy any Andranontsara, Kaominina Ambodiangezoka, any amin'ny distrikan'Andapa izy roa maty ireo.
Mamy Augustin. 


6336midi-mg-007452-9564-27112008 Lasa ny 25 tapitrisa
Fanafihan-jiolahy
Lasa ny 25 tapitrisa
Notafihin'ny jiolahy miisa 5 mirongo basy ny tokantrano iray teo akaikin'ny abattoir, tany Ambatondrazaka, ny alin'ny sabotsy hifoha alahady teo. Novakian'ireo mpanafika ny varavarana ary niditra tao amin'ny efitra fandrian'ny tompon-trano izy ireo. Nambanany basy izy mivady, nofatorany ary notampenany ny vavany. Noteren'ireo jiolahy avy eo rangahy hanome ny vola rehetra tao an-trano. Nanaiky tsy fidiny ilay tompon-trano ka nanome 23 tapitrisa. Tsy nanaiky anefa ireo jiolahy ary nilaza fa tsy ampy ireo vola ireo. Noho ny fanerena sy ny fandrahonana ho faty dia voatery namoaka 2 tapitrisa indray ilay rangahy. Vao azon'ireo mpanafika ny vola dia lasa nandositra izy ireo.
Nahatsikaritra ilay rangahy tompon-rano fa mitondra basy Kalacknikov ny iray tamin'ireo jiolahy. Marihina fa mpivaro-kena no asan'ireto olona notafihin'ny jiolahy tao an-tranony ireto ary vola vidin'omby io lasan'ny olon-dratsy io.
Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana any an-toerana ary efa nanokatra fanadihadiana, saingy hatramin'izao aloha tsy mbola nisy ny voasambotra.
Janus 


6336midi-mg-007453-9565-27112008 Birao iray nisy namaky
Antenimieram-pirenena
Birao iray nisy namaky
Nahatsikaritra ny tomponandraikitra tao amin'ny Antenimieram-pirenena, ao Tsimbazaza, fa nisy namaky ny birao iray. Birao izay misy antontan-taratasy maro mikasika ny vola. Ny tsikaritra voalohany aloha dia ny ordinatera iray tao amin'ity birao ity no tsy hita. Mbola manao ny fizahana miaraka amin'ny mpitandro filaminana ry zareo, mijery ny zavatra hafa very. Efa misy famotorana nosokafana ary efa mandeha ihany koa ny fakana am-bavany.
Aina R 


6336midi-mg-007454-9566-27112008 Mamo nitondra taxi-be
Mamo nitondra taxi-be
Omaly tokony ho tany amin'ny 4 ora tany, nisy mpandeha iray ho eny Ivato, tonga tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana nilaza fa mamo ny mpamily taxi-be iray mampitohy ny renivohitra amin'ny tananan'Ivato. Raha vao naharay ny vaovao ireo zandary eny an-toerana dia niezaka nijery izany. Hita tokoa ilay fiara. Nosakanana nefa dia tsy nety nijanona. Rehefa izany, nenjehina ilay izy ka efa tonga teny Mandrosoa vao tafajanona. Araka ny vaovao dia mbola saika handeha ihany ilay mpamily ka tsy maintsy nitsivalanana ny arabe. Tamin'izay fotoana izay dia fantatra fa tena nanendry zava-pisotro tokoa ny anao lahy. Nentina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana izy.
Ny vaovao voaray ihany no nahalalana fa tsy vao izao no tratra nandika làlana ity mpamily ity fa efa imbetsaka ihany. Tsy voatazona ela anefa dia iny fa miasa eny indray. Handray ny andraikiny ireo mpitandro filaminana amin'ity indray mandeha ity.



6336midi-mg-007455-9567-27112008 Sivy lahy mirongo basy nanafika tompona farmasia
ANDREFAN'AMBOHIJANAHARY. Nafatotr'ireo jiolahy ny mpiasa tao an-trano lasany ny 12 tapitrisa.
Sivy lahy mirongo basy nanafika tompona farmasia
Fanafihana mitam-piadiana tetsy Andrefanambohijanahary, ny 26 oktobra lasa teo. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin'io fotoana io fa lasa nandeha namonjy fotoam-pivavahana. Mpiasa an'trano roa no niandry trano tao. Tokony ho tamin'ny 8 ora maraina, araka ny fitantaran'ireo mpanampy roa, dia nisy olona nandondona tao am-baravarana ary nilaza fa hanatitra entana ho an'ny tompon-trano. Raha vao nivoha anefa ny varavarana dia nibosesika niditra ireo jiolahy miisa sivy, ary nanambana basy ireo mpanampy. Nafatotr'izy ireo ireto faranay ary nanao izay danin'ny kibony tao izy ireo. Lasan'ireo mpanafika tamin'izany ny vola miampy firavaka volamena sy entana sarobidy samihafa izay mitentina hatrany amin'ny 12 tapitrisa Ia.
Nanao fikarohana ny polisy ka ilay mpiasa kilasimody no nahiana voalohany. Nanambara io fa tsy izy no tompon'antoka tamin'ny fanafihana fa i Joel, izay sakaizany ihany ary mpiasa tao amin'ny farmasian'ny tompon-trano teo aloha, saingy niala vao herinandro talohan'ny fanafihana. Rehefa noterena i Justine, ilay mpanampy kilasimody, dia nilaza indray fa i Mosa, dadatoan'i Joel, no nitondra ny basy. Nosamborin'ny polisy ireo, ary rehefa natolotra ny Fampanoavana tamin'ny 29 oktobra dia naiditra am-ponja vonjimaika.
Mbola nitohy anefa ny fisamborana nataon'ny polisy ka voasambotra i Zefa, Thony, Steeve, Yves ary Zanamanga. Rehefa nosavaina ny tranon'i Mosa dia nahitana basy Revolver sy bala 4, ary mbola nahitana antsilava ihany koa. Rehefa nosavaina ny tranon'i Steeve dia nahitana basy poleta pistolet automatique sy bala telo. Nilaza ny marina ireo jiolahy ary nanambara fa i Justine, ilay mpanampy kilasimody, no mpanome ny renseignement rehetra. Omaly izy ireo no natolotra ny Fitsarana ary notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana.

Lire aussi - Fanafihan-jiolahy : Lasa ny 25 tapitrisa - Antenimieram-pirenena : Birao iray nisy namaky - Mamo nitondra taxi-be 


6336midi-mg-007456-9568-27112008 Vaky koa ny fonja
Tsiroanomandidy
Vaky koa ny fonja
Gadra miisa telo tamin'ireo tazonina ao amin'ny fonjan'i Tsiroanomandidy no fantatra fa tafatsoaka tamin'ny marainan'ny faha-26 novambra, omaly izany. Araka ny fantatra dia tokony ho tamin'ny 2 ora maraina izy ireo no nihanika rindrina ary nivoaka avy eo amin'ny fefy vy. Ankevitry ny efa tena tranainy tokoa izany fefy izany matoa izy ireo afaka teo. Ireo namany tavela tao ihany moa no nampandre ny mpiambina ny fonja. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo rehetra voakasik'izao zavatra izao. Efa mandeha ny fikarohana ireo nandositra kanefa omaly dia  tsy mbola nisy hita izy ireo.
Na dia tsy misy tribonaly aza ao Tsiroanomandidy dia misy an'io fonja io. Voalaza fa ireo miandry ny fitsarana azy any Miarianarivo no tazonina ao.
Tafakatra ho dimy izany, amin'izao fotoana izao, ny fonja vaky tamin'ity volana novambra madiva hifarana ity. Araka ny nanoratana azy teto, nisy ny fahavakisan'ny fonja tany Antsohihy, gadra sivy no lasa. Tany Marofoto Mahajanga, roa ny voafonja lasa. Tany Ambalatavoahangy Toamasina, tafatsoaka ny gadra efatra. Tany Ambositra, tamin'ny alahady teo, roapolo be izao ireo nanao amboletra nvoaka ny vavahady nanararaotra ny fanateram-bary.
Mahalasa eritreritra ihany izao fahavakisana misesisesy izao. Toa ohatra ny mifaninana ry zalahy. Etsy andaniny koa, araka ny fantatry ny rehetra dia efa tena tranainy tokoa ireny fonja ireny ka tsy manano sarotra akory ry zalahy mivoaka ao. 



6342midi-mg-007463-9574-27112008 Britanniques ouverte     
La section pour les Intérêts
Britanniques ouverte 
 L'ouverture de la section des intérêts britanniques à l' Ambassade d' Allemagne a été marquée hier en début de soirée par une brillante réception au Colbert organisée par l' Ambassadeur de Grande Bretagne  pour Madagascar, le Dr John Murton.
Cahier Politique 

6363midi-mg-007486-960-17012008 Fatin-jaza tao anaty &quot;sachet&quot;  Dimy lahy nandroba tranon'olona     Olona 5 naratra mafy 
ANOSIZATO
Fatin-jaza tao anaty sachet
 
Nahitana fatin-jazakely vao teraka nifono tao anaty sachet teny   Anosizato Andrefana, manamorona ny ranon'i Sisaony, omaly. Milanja 2,550 kg eo ilay zaza, ary araka ny filazan'ny mpitsabo nanao ny fizahana, dia maty noho ny hasemporana ilay zaza. Nahitana zipo fotsy mipentina mainty ihany koa niaraka tamin'ilay zazakely. Nandray an-tanana ny famotorana ny mpitandro filaminana eny an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ny ray aman-drenin'ity zaza nariana teny amoron-drano ity.  
AMBOHIMAHITSY
Dimy lahy nandroba tranon'olona
 
Ny alin'ny 16 janoary lasa teo, tokony ho tamin'ny 1 ora maraina, teny Ambohimahitsy. Tranon'olona vao amboarina no nidiran'ny jiolahy an-keriny. Ireo mpamboatra trano no tratrany tao ka tsy navelany nisy nihetsika. Lasan'ireo jiolahy tao avokoa ny fitaovana rehetra hanamboarana ny trano, toy ny vy miisa 40, fantsika, vola, fitaovana an-dakozia sy kojakoja maro. Vao nahazo izay nilainy ireo jiolahy dia lasa nandositra. Tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra nandritra izao fanafihana teny Ambohimahitsy izao. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana.  
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Olona 5 naratra mafy 
Lozam-pifamoivoizana niseho tany Ankazobe sy tetsy Antanetibe Ivato. Ny voalohany dia fiara Toyota ho any Mahajanga ka tapaka frein tao anaty fiolahana. Nivoaka ny lalana ilay fiara ary nidona tamin'ny dongon-tany. Vokany : naratra mafy avokoa ireo olona efatra tao anaty fiara. Efa nalefa notsaboina tany amin'ny CSBII tany Ankazobe ireo olona naratra. Ny faharoa kosa nitranga tetsy Antanetibe Ivato, ny 16 janoary lasa teo, tamin'ny 12 ora sy sasany. Moto sy fiara nifampisongona no nifandona. Vokany: naratra mafy ilay nitondra moto ary ny tanany no tena voa mafy tamin'izany.
Nangonin'i Aina R. sy r.s


6384midi-mg-007508-9622-28112008 Mbola tsy mahatsiaro tena izy telo mianaka
Hain-trano tany Avigon
Mbola tsy mahatsiaro tena izy telo mianaka
Hatramin'izao, telo andro taorian'ny nahamay ny trano fonenan'ireo fianakaviana malagasy sy renioney izay nahafaty ny zanany lahimatoa, dia mbola tsy mahatsiaro tena izy telo mianaka may tao. Samy mbola manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly izy ireo. Etsy an-danin'izany, maneho ny hatezerany sy ny alahelony ny anadahin'ilay ramatoa, Leong Raharivelo, araka ny nitateran'ny gazety JIR avy atsy La Réunion azy omaly alakamisy. Olona tsy manan-tsiny no novonoina ary tsy azo ekena izany, hoy izy. Efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana isan-karazany. Olona folo no efa nohenoin'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fisamborana natao. Amin'ny sabotsy izao dia hisy diabe hatao anaty fahanginana ho fanomezam-boninahitra an'i Jason, ilay namoy ny ainy. Maindry ny hahatsiarovan'izy telo mianaka saina tsara ny fianakaviana.
Loharanom-baovao : JIR 


6384midi-mg-007509-9623-28112008 Ny mpiambina azy ihany no namely azy
Mpanakalo devises voatifitra
Ny mpiambina azy ihany no namely azy
Ny mpiambina azy sy mpanao rugby amina ekipa malaza iray eto an-drenivohitra no nanafika an'ilay metisy sinoa mpanakalo devizy teny Itaosy iray volana lasa izay. Niakatra teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona ireo sy ny namany iray.
Tamin'ny andro nahavoa azy dia efa handeha hody ity olona ity. Nitondra moto izy tamin'izay ary nisy nitifitra avy hatrany. Voa teo amin'ny kibony ilay rangahy ary nianjera tamin'ny tany. Nalain'ireo mpangalatra mora fotsiny ny vola iray sakaosy nentiny. Rehefa izany dia lasa ry zalahy. Avotra soa aman-tsara kosa anefa ny ainy rehefa nentina haingana teny amin'ny hopitaly izy. Taorian'ny fikarohan'ny mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy dia olona telo no fantatra fa voasambotra ary voarohirohy amin'ity raharaha ity.



6384midi-mg-007510-9624-28112008 Tapatapany
Tapatapany
 - Moramanga, mahazo vahana ny fivarotan-tena. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia mahazo vahana ny fivarotan-tena ao Moramanga ville sy ny manodidina azy. Antony, itobiana sy ifamezivezen'ireo vahiny miasa amina fotodrafitr'asa maro isan-karazany io toerana io. Maro amin'ireo vahiny ireo no manam-bola ka mahasarika vehivavy. Maro ihany koa ireo ankizy vavy maniry vazaha hiaraka aminy, misy koa nefa ray aman-dreny mamporisika ny zanany hiaraka amina vazaha mba hahazoam-bola. Ankizy tsy ampy taona izay mbola mpianatry ny Lycée sy ny CEG ny ankabeazan'ireo voasarika amin'ity zavatra ity. Misy araka izany ny fepetra raisin'ny manam-pahefana any an-toerana hiarovana azy ireny.
R. Delphine 


6384midi-mg-007511-9625-28112008 Lehiben'ny distrika nisy nitifitra
Toliara. Hangalatra sa zavatra hafa mihitsy no nanosika ireo olona handratra an'ingahy Lehiben'ny distrika?
Lehiben'ny distrika nisy nitifitra
Naratran'ny sabatra teo amin'ny tongotra havanan'ity Lehiben'ny distrika ity. Nanapoaka basy indroa koa ireo olona nanafika azy. Rehefa izany dia nalain'izy ireo ny finday iray ary lasa nandeha izy ireo.
Tsy nisaron-tava. Tamin'ny faha-26 novambra teo tokony ho tamin'ny 9 ora alina no niseho ity fanafihana ity tao Masirasira, fokontany Mahavatsy I, distrikan'i Toliara. Tsy nanampo na inona na inona ity Lehiben'ny distrika. Raha vao nijanona ny fiara nitondra azy ka hiditra ny tranony izy no nipoaka ny basy. Araka ny vaovao, dia telo lahy ireo nanafika tamin'io. Tsy nisaron-tava izy ireo nefa noho ny hamaizinan'ny alina dia tsy fantatra velively ny endriny. Rehefa avy namely ity olom-panjakana ity ry zalahy dia lasa nandeha nitondra ilay finday. Tsy nataony na inona na inona kosa ny mpamily sy ny olona iray hafa tao anaty fiara.
Asan-jolahy. Toa mahavariana ihany ny fandehan-javatra raha izany. Raha hanafika sy hangalatra no anton'ity fitifirana sy fikapana tamin'ny sabatra ity, nahoana no ilay finday ihany no nalain'ireo olon-dratsy fa tsy naka zavatra hafa izy ireo ? Raha ny fahitana ny fandehan-javatra dia toa tsy asan-jiolahy velively ilay izy fa mifono zavatra hafa mihitsy. Efa mandeha ny famotorana isan-karazany ataon'ny polisy any an-toerana. Ilay naratra kosa mbola tsaboina any amin'ny hopitalibe ao Toliara.

Lire aussi - Hain-trano tany Avigon : Mbola tsy mahatsiaro tena izy telo mianaka - Mpanakalo devises voatifitra : Ny mpiambina azy ihany no namely azy - Tapatapany 


6386midi-mg-007516-963-17012008 Olona 9 nokaikerin'ny voay, ny iray tsy hita faty
Olona 9 nokaikerin'ny voay, ny iray tsy hita faty
  Olona sivy no fantatra fa nokaikerin'ny voay ka ny iray tsy hita hatramin'ny fatiny. Ireo valo kosa tsaboina any amin'ny hopitaly avokoa amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny kaominina Anosiparihy, 77 km atsimo andrefan'i Mananjary no nisehoan'ity zavatra hafahafa ity. Akaikin'ny renirano Namorona no misy io kaominina io amin'ny lalana mandeha ho any   Manakara. Araka ny resaka nifanaovana tamin'ny ben'ny tanàna, dia hafa tokoa ity tranga ity. Mahavariana mantsy, araka ny fanazavany, fa toa ohatran'ny hoe misangy izany ireo voay ireo. Karazan'ny biby efa nisy namolaka izany. Ary dia toa manamafy izany ny fahitana loko manga sy mena amin'ny lamosiny. Tsy iray fa maro dia maro ireo voay ireo. Nisy ohatra iray nanazavany fa hoe voay folaka : nisy zaza iray sendra teo amorondrano ary dia norambasan'ilay biby. Raha nahita izany ny reniny izay tsy lavitra teo dia namonjy an-janany nisintona azy. Dia tsy niraika akory ilay voay fa nosokafany ny vavany dia navotsony ilay zaza.
2m ka hatramin'ny 2,50m
Tena lehibe tokoa ireo voay ireo, araka ny filazan'ny mponina eo an-tanàna. Mahatratra hatrany amin'ny 2 m ka hatramin'ny 2,50m ny halavan'ny iray. Ny ilazan'ny olona koa fa toa misangy izy ireo dia tsy manaikitra hafa tsy eny amin'ny fe na amin'ny ravim-body izy ireo. Izany hoe, ny faritra be nofo. Ny telo tamin'ireo olona voakaikitra dia niampita rano. Ny sasany indray dia manasa lamba na mandro na maka rano. Nahamarika koa ny olona fa tsy mitovy fihetsika amin'ny voay dia izy ireo. Raha dia mantsy ireny zavatra ireny, raha vao mahazo remby dia entina milentika any anaty rano any na any amin'ny lavaka fasiany sakafo. Tsy izany anefa no miseho fa mandratra fotsiny ihany ilay izy.
Fanidy
Ny vaovao tany an-toerana koa no nilaza fa tsy mety voan'ny fandrika ireo biby ireo. Efa nanandrana namandrika azy mantsy ny mahay izany fa niala maina. Natao ihany koa ny nampiasa fanidy, nefa dia mbola mandratra olona ihany ny voay. Rehefa natao ny fampitahana ny voay dia sy ireto ao anaty rano ireto dia izao : amin'ny voay dia, mandaitra avy hatrany ny fanidy. Ity karazany dia ity koa dia azon'ny mpamosavy sy ny mpanao ody irahany hihinana sy hamono olona. Rehefa atao ihany koa anefa ny fanefitr'izany, ny fanidy, dia mandaitra avy hatrany. Tsy miakatra an-tanàna mihitsy ireo biby ireo. Mandeha eny amin'ny tany voavoly voankazo kosa anefa izy, toy ny akondro sy ny sisa. Ny nahavariana ny mponina koa dia izao, nisy fatin'alika teny an-tanim-boankazo teny ary dia nohanin'ireo biby ireo soa   aman-tsara. Mbola zavatra mahagaga hafa ihany koa no voamariky ny olona: niambina ny iray tanàna nanomboka tamin'ny volana oktobra 2007, tsy niseho mihitsy anefa ireo biby ireo. Ohatran'ny misy mibaiko izany. Nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana janoary indray ry zareo no niseho. Fanamarihana farany nataon'ny ben'ny tanàna : misy hopitaly ao an-toerana, tsy olona mararin'aretina no maro tsaboina ao fa ny olona lanin'ny voay. Araka izany, manao antso avo amin'ny manampahefana ry zareo mba handefa manampahaizana manokana mikasika ireny biby ireny any an-toerana. Antsoiny koa ireo mpihaza voay maka ny hodiny sy ny menaka aminy soa mba afaka mitondra vaha olona. HAR


6386midi-mg-007517-9630-29112008 Fatim-behivavy tsy misy tongotra ila
ANOSIZATO. Efa simba be ny razana ary miendaka ihany koa ny hodi-dohan'ilay vehivavy.
Fatim-behivavy tsy misy tongotra ila
Nahitana fatim-behivavy efa simba ary tsy misy tongotra ilany teny Anosizato akaikin'ny kianja filalaovam-baolina, omaly. Ny fofona ratsy efa mihanaka be no ren'ny olona sendra nandalo, ka rehefa nozahana dia tao anatin'ny kirihitra no nahitana azy. rehefa nojerena dia efa simba be tokoa ilay razana. ankoatra ny fofona dia efa mivoaka bibikely. Tsy toy ny razana fahita matetika anefa izy ity fa miendaka ny hodidohany ary tsy eo ny tongony havia. raha ny fijery azy avy ety ivelany aloha dia novonoina ilay vehivavy, izay vao nariana tao anaty kirihitra. Ankoatra ny tongony notapahina dia noendahina ihany koa ny hodin-tavany sy ny hodi-dohany mba tsy hahafantarana ny tarehiny. Tsy nahitana taratasy na zavatra hafa mety hahafantarana azy teny aminy. Ny olona teny an-toerana koa samy milaza ho tsy misy mahafantatra azy. Manodidina ny 28 taona eo ity vehivavy hita faty teny Anosizato ity, ary mbola eny an-kodiny avokoa ny fitafiany.
Efa nampandrenesina ny tomponandraikitra ao amin'ny Fokontany, ny mpitandro filaminana ary ny avy ao amin'ny BMH, ka samy tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony. Araka ny nambaran'izy ireo dia efa tany amin'ny herinandro mahery tany no nahafaty ilay vehivavy. ny mpitandro filaminana kosa etsy an-daniny dia efa nanokatra fanadihadiana hahafantarana marina raha nisy namono tokoa ity vehivavy ity. Fa mandra-piandry ny valin'ny fikarohana sy izay mety ho havany dia nalefa eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA aloha ny razana.

Lire aussi - Moramanga : Teratany jordanais tratra - Avignon : Une marche silencieuse 


6386midi-mg-007518-9631-29112008 Teratany jordanais tratra
MORAMANGA
Teratany jordanais tratra
Noraisina ny fepetra mba hiarovana ny ankizy vavy tsy ampy taona amin'ny vazaha
Nanomboka tamin'ny sabotsy teo ary maharitra folo andro ny fanentanana natao mba ho fiarovana ireo ankizy vavy tsy ampy taona tsy hiaraka amin'ny vazaha. Ny hotely, ny trano fisotroana sy fandihizana ary filanonana maro samy hafa no nanaovana izany fanentanana izany, ary miara-misalahy amin'izany ny polisy sy ny zandary. Nandritra izany fotoana izany dia nisy ny fisafoana natao tamin'ireo toerana ireo ka teratany jordanais iray no tratra niaraka tamin'ny ankizy vavy tsy ampy taona iray tao anatina trano fisotroana. Nandraisana fepetra avy hatrany moa ity lehilahy ity. Vokatry ny fanentanana nataon'ny manam-pahefana dia tsapa fa efa miahotra ny vahiny any an-toerana hiaraka amin'ny ankizy tsy ampy taona.



6416midi-mg-007549-9664-01122008 Matin'ny olona ilay lehilahy nanolana zazavavy 14 taona
Sambava. Potika ny biraon'ny zandary ao amin'ny poste avancé Farahalana. Haka olo-meloka ny fokonolona nefa nosakanana.
Matin'ny olona ilay lehilahy nanolana zazavavy 14 taona
Tamin'ny sabotsy teo no niseho ny gidragidra teo amin'ny fokonolona, ankilany ary ny mpitandro filaminana andaniny. Ny antony, nahatratra tovolahy iray 22 taona nanolana sy namono tamin'ny fomba feno habibiana zazavavy 14 taona ny kartie mobily ary naterina tany amin'ny biraon'ny zandary. Matin'ny olona koa io tovolahy io.
Fanolanana sy famonoana. Tamin'ny sabotsy lasa teo, nivoaka ny tranony hanasa lovia eny amoron-drano ny ankizy vavy roa. Teny an-dalana, nifanena tamina tovolahy iray izy ireo. Notambazan'ity farany vola izy roa hanao firaisana aminy. Tsy nanaiky anefa izy ireo. Afaka nandositra ny zokiny fa ilay zandriny kosa tsy afa-nihetsika rehefa nobedain'ilay lehilahy. Nentiny tany anaty ala izy ary novetavetainy tany. Rehefa izany, notsatohany hazo maranitra ny maha vehivavy azy ary notapahany ny tendany ka izany no nitarika ny fahafatesany. Hitan'ilay zokiny avokoa izany. Lasa niantso fokonolona haingana izy ary avy hatrany dia nohodidinina ilay toerana. Tsy afa-nitsoaka intsony moa ity lehilahy ity. Rehefa izany dia naterin'ny olona tany amin'ny zandary izy. Raha mbola teo am-panaovana ny fanadihadiana anefa ny mpitandro ny filaminana, tonga ny olona marobe avy amina fokontany telo. Nangataka ny hanomezana azy an'ilay tovolahy izy ireo. Tsy nanaiky anefa ireo mpitandro ny filaminana ary nanazava. Rehefa nifanditra elaela teo dia raikitra ny gidragidra teo amin'ny roa tonta. Voatora-bato ireo zandary. Potika ny birao. Efa nanao tifi-danitra ho fampitahorana ry zareo nefa tsy niala mihitsy ireo fokonolona. Tafiditra tany anaty biraon'ny lehiben'ny zandary izay nanafenana ilay bandy ireo olona. Nihohoka teo ambonin'ilay tovolahy niaro azy ingahy sefo sy ny miaramilany iray. Voan'ny tora-bato teo amin'ny lohany ity farany ary tsy maintsy nalefa tany amin'ny hopitaly.
Norasarasaina antsy. Raha vao nisy hirika kely, dia nosintonin'ireo olona tamin'ny tady namatorana azy ilay tovolahy. Tafavoaka tany ivelany avy eo ka norasarasain'izy ireo tamin'ny antsy ny tenany iray manontolo. Nahatsiravina ny nijery ny rà ary nivoaka hatramin'ny tsinainy. Tonga any an-toerana moa ny zandary avy any Sambava hanampy ireo efa any. Nentina haingana tany amin'ny hopitaly ilay tovolahy saingy teny an-dalana no tsy tana ny ainy.
Remi R.


6416midi-mg-007550-9665-01122008 Tapatapany
Tapatapany
 - Niharan-doza ny fiara nitondra an'Atoa Brunly. Potika tanteraka ny fiaran'ingahy depiote rehefa nifandona tamina taxi-be teny Mandrosoa Ivato omaly maraina. Nanao ambony ambany ilay izy. Soa ihany fa tsy naninona izy mivady. Tao amin'ilay fiara mpitatitra no nisy naratra.
 - Maty nofaohin'ny fiara. Olona iray avy nijery baolina no voafaokan'ny fiara teny amin'ny route digue. Voalazan'ireo nahita fa nandeha tamin'ny sisiny izy izao voadona izao. Tsy nijanona anefa ny fiara fa nanohy ny diany ihany. Tsy lasa lavitra koa anefa dia nivarina tany an-tanimbary io fiara io ary dia noraisim-potsiny teo ingahy mpamily izay naratra ihany koa.
 - Maty nihantona. Maty hitan'ny olona nihantona ny mpiambina ny CSBII ao Sabotsy Namehana omaly maraina. Araka ny vaovao, dia efa tamin'ny sabotsy alina izy no notadiavain'ny fianakaviany fa tsy nody. Dia izao hita faty izao.
 - Gadra nandositra ny hopitaly. Voasazy higadra mandra-pahafatiny ny olona iray. Narary anefa izy ka nalefa teny amin'ny hopitaly hodidiana. Sitrana soa aman-tsara saingy mbola tsy niverina tany am-ponja. Tamin'ny sabotsy teo, nisy olona tonga nitsidika azy. Ireo namany niaraka taminy tao amin'ny hopitaly nivoaka kely. Rehefa niverina anefa ireo, efa tsy tao antsony ny anao lahy. Voamarina ny fandosirany rehefa tonga hanidy ny efitrano ny mpiasan'ny hopitaly.
Nangonin'i r.s./J.C. Steve


6448midi-mg-007585-9702-02122008 Réunion tripartite
Tsimbazaza
Réunion tripartite
Le préfet d'Antananarivo, Edmond Rakotomavo, des représentants du ministère de la Santé et de la Région Analamanga se sont concertés hier, au bureau de la Préfecture à Tsimbazaza, pour se pencher sur les problèmes de salubrité à Antananarivo. Cette réunion tripartite lance ainsi un appel à tout un chacun pour procéder à des nettoyages systématiques. Tout en sensibilisant les gens à la dératisation car selon toujours cette réunion tripartite, une menace de peste a été dépistée, à Ambohimanarina. Ces différents responsables vont ainsi aviser la commune urbaine d'Antananarivo, afin que celle-ci procède à des enlèvements d'ordures ménagères. Et ce, pour éviter le pire. 
Recueillis par Dominique R.
Politique 

6465midi-mg-007603-9719-02122008 Rangahy maty voapoizina
Antalaha
Rangahy maty voapoizina
Nandoa zavatra hafahafa ilay rangahy no sady nivontirika ny masony rehefa avy nisotro labiera niaraka tamin'ilay vadiny faharoa izy. Tany amin'ny Distrikan'Antalaha, tao amin'ny tanàna antsoina hoe Ankoalabe no nitrangan'izany, ny faha-13 septambra lasa teo. Olona mahafantatra ity rangahy ity ary sendra nandalo tao amin'ilay toerana fisotroana no nahalalana fa ilay vady keliny no niara-nisotro taminy tamin'io. Rehefa tonga tany amin'ilay tena vadiny moa ilay rangahy no nitranga io fandoavana zavatra hafahafa io. Voalazan'ny vaovao avy any an-toerana fa ora iray taty aoriana dia maty ilay rangahy. Nametraka ny ahiahiny tany amin'ilay ramatoa niara-nisotro taminy avy hatrany ny vady aman-janany. Naleha tany amin'ny trano fonenany io ka rehefa hita izy dia nambara taminy ny nahazo ilay rangahy rehefa avy ao amin'ilay toeram-pisotroana. Latsa-drano-maso avy hatrany ity vady faharoa raha vao naheno izany. Taitra ihany koa ireto zanak'ilay rangahy maty satria mitondra vohoka efa ho teraka ilay rafivavin-dreniny io. Voalaza mantsy fa nampisinda ny ahiahy ratsy tamin'izy ireo ny fahitana ilay renikeliny mitondra vohoka. Ny faran' ny herinandro lasa teo iny no voalaza fa teraka ilay ramatoa. Taorian'izay anefa dia nilaza tamin'ny olona iray izay tena akaiky azy izy fa hoe tena misy zavatra nampanenina azy mafy mikasika ilay rain-janany, ary mbola nitohizany hoe:  Ary tsy tokony ho nataoko. Tonga tany amin'ilay rafivaviny sy ireo zanany moa izany feo izany. Ahiana arak'izany ny mety hitaran'ny raharaha any amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana.
Mamy Augustin.


6466midi-mg-007605-9720-02122008 Tapatapany
Tapatapany
 - Antsirabe. Vazaha telo niharan-doza. Ny 28 novambra teo, tamin'ny 11 ora sy sasany alina dia nivadika ny fiarakodia Toyota 4x4 nitondra vazaha 3 avy aty Antananarivo ho any Antsirabe. Simba tanteraka ilay fiara ary ireo vazaha kosa naratra mafy ka nalefa namonjy hôpitaly aty an-drenivohitra. Monina ao Ambohimirary (Tana) ny mpamily, ary an'ny orinasa Société Malagasy Port kosa ilay fiara nivadika io.
 - Antsirabe. Zaza 5 taona voafaokan'ny fiara. Ny tolakandron'ny zoma teo, tokony ho tamin'ny 3 ora dia nisy mpampiasa vola vahiny iray monina ao Ambohimanarivo Antsirabe, nitondra fiara 4x4 Toyota Hilux ary nandona zazalahikely dimy taona teo Andranomanelatra Antsirabe. Naratra mafy ilay zaza ary naiditra hopitaly ao Antsirabe.
 - Fianarantsoa. Mihanaka ny aretin'omby. Mbola mihanaka ao Fianarantsoa amin'izao fotoana izao ny aretin'omby PEDITIE. Araka ny nambaran'ny dokoteram-biby tonga avy taty Ampandrianomby dia azo ohanina tsara ny nofon'ny omby matin'io aretina io saingy ny taovany kosa no tsy maintsy alevina.
 -  Tambazotra fampindramam-bola madinika Toamasina. Nosamborina ny Filohan'ny filankevi-pitantanana lefitra. Noho ny olana misy amin'izao fotoana izao ao amin'ity fikambanana ity dia notazonina vonjimaika any amin'ny mpitandro ny filaminana ny tomponandraikitra ambony iray. Tantara mitohy.
 - Tanjombato. Mpiasan'ny supermarché maromaro natolotra ny Fampanoavana. Nosamborina ary nohadihadiana noho ny resaka halatra tao amin'ity fivarotana lehibe ity ireto mpiasa ireto. Omaly izy ireo no nandalo teny amin'ny Fitsarana Anosy.
Nangonin'I Aina R sy r.s


6466midi-mg-007606-9721-02122008 Tovolahy maty nipoahan'ny fatana
ITAOSY. Nandrehitra afo  pétrole  ilay mpanampy. Nisy zavatra nipoaka tampoka. Nirehitra ny trano ary may tao izy.
Tovolahy maty nipoahan'ny fatana
Loza niseho ny harivan'ny alahady teo teny amin'ny Cité des Assureurs Itaosy. Tovolahy iray, 26 taona, no maty vokatry ny fipoahan'ny fatana  pétrole . May ny trano ary may tao koa izy. Toy izao ny fisehony. Ny harivan'ny alahady teo, dia nandrehitra fatana pétrole ny tao amin'ny tokantrano iray. Asa anefa izay zava-nitranga fa avy dia nipoaka ilay izy. Niparitaka ny afo ary nandoro ny trano iray manontolo. May tao niaraka tamin'ny trano sy ny entana maro ity tovolahy ity.
Ilay mpanampy no nandrehitra ny afo, ilay tovolahy kosa, rehefa nahita ny afo niparitaka dia nihazakazaka saika hamonjy ny fatana gazy izay natahorany hipoaka kanjo nisolifatra ka may. Mbola tafatsangana izy ary nidina tohatra saika haka rano kanjo nianjera ary tsy tafarina intsony. Niezaka namonjy ny trano may ny fokonolona teo an-tanàna. Ny sasany namoaka ny entana ary ny hafa kosa namono ny afo. Tafavoakan'ny olona tao ihany izy na dia naratra mafy vokatry ny fahamaizana aza. Nentina notsaboina tany amin'ny hopitaly. Omaly, tokony ho tamin'ny 6 ora maraina, izy no namoy ny ainy. Niezaka nanao izay ho afany ihany ny mpitsabo saingy tsy tana ny ain'ilay tovolahy.
Tany Toamasina koa dia nisy tokantrano iray nipoahan-javatra ary nahamay trano telo. Ny 29 novambra tamin'ny 10 ora maraina, tao Mangarivotra Avaratra Toamasina no niseho ny loza. Raha teo am-panamboarana pâte ny tao amin'ny tokantrano iray, dia nisy zavatra nipoaka tampoka. May noho izany ny trano miisa telo ary mitentim-bidy 6 tapitrisa Ariary ny zavatra potika. Matin'ny mpamono afo eny an-toerana ihany ny afo.
Aina R.
Lire aussi
Antalaha : Rangahy maty voapoizina
Des nouveaux contrôleurs pour la CNaPS
Tapatapany


6466midi-mg-007607-9722-02122008 Bal niafara tamin'ny tsindron'antsy
Bal niafara tamin'ny tsindron'antsy
Raikitra ny gidragidra tao amin'ny lanonam-pandihizana iray eny Antanety Itaosy ny alin'ny alahady teo. Vokatr'izany, nisy olona voatsindrona antsy ary tsy maintsy nampidirina hopitaly. Tamin'io alina io ihany dia efa nosamborin'ny mpitandro ny filaminana ilay olona nahavaon-doza.
Naharesy tamin'ny fihaonana nataony ny mpilalao rugby maromaro ary nahazo omby mifahy. Natao ny lanonana nanondrahana izany. Teo aloha nandeha tsara ny resaka. Araka ny vaovao, nisy anefa ny nanao toetra tsy mendrika satria nila vaniny tamina vehivavy iray ary voalaza fa saika hanao herisetra mihitsy. Hitan'ny rehetra izany koa dia norarana hanao izany izy. Tsy nety nijanona anefa izy ka raikitra ny ady saritaka ary dia io niafara tamin'ny fanindronana antsy io.
Omaly alatsinaniny, dia mbola tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao fisamborana olona maro. Ny vaovao voaray ihany no nahalalana fa mbola misy olona voakasik'io raharaha io mbola karohina amin'izao fotoana izao.
r.s.


6496midi-mg-007638-9754-03122008 Efa misy tomponandraikitra migadra
Vaky fonja
Efa misy tomponandraikitra migadra
 Taorian'ireny fahavakisan'ny fonja marobe teto amintsika ireny dia nisy ny famotorana natao ary efa misy tomponandraikitry ny fonja notanana vonjimaika any am-pigadrana amin'izao fotoana izao  hoy Andriamatoa Fidy Mpanjato Rakotonarivo, talen'ny kabinetra ao amin'ny Ministeran'ny Fitsarana, omaly. Voalazany ihany koa fa ankoatra ny lesoka eo amin'ny fotodrafitrasa any amin'ny fonja dia isan'ny antony mahavaky ny fonja ny tandrevaka ataon'ny mpiasa. Izany indrindra no antony nadraisana izao fanapahan-kevitra izao.



6496midi-mg-007639-9755-03122008 Nolerany ny antsy ny tendan'ny fofombadiny
Mahazo
Nolerany ny antsy ny tendan'ny fofombadiny
Adin'ny mpivady niafara tamin'ny tsatoka antsy. Monina eny Mahazo izy ireo ary mpanamboatra fahitalavitra no asan-drangahy, mitety tranon'olona izy amin'izany asany izany. Ny alakamisy teo dia nisy fifamaliana teo amin'izy roa, tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Raha handeha hivoaka hanamboatra fahitalavitra any an-tokantranon'olona araka ny fanaony ity rangahy ity dia narahin'ilay ramatoa. Iny mbola am-perin'asa iny indrindra izy no niditra ilay ramatoa ka dia nitohy teo ny fifamaliana, vao mainka aza nihamafy izany, ka niafara tamin'ny famotehan'ilay ramatoa tamin'ny zaran'angady ny fahitalavitr'olona namboarin'ilay fofombadiny. Raha iny nanakana azy iny ilay rangahy, tsy nahatsikaritra akory fa hay mitana antsy maranitra ity ramatoa ity,  no noleran--dramatoa ny antsy ny tendany. Nentina tany amin'ny hôpitaly ity rangahy ity ka tra-pamonjena ihany. Nandritra ny fotoana  naha-teny amin'ny hôpitaly azy anefa dia notorian'ny fianakavian'ny vadiny ho tsy nahavita ny fahitalavitra nampanamboarina azy indray izy. Izy kosa anefa tsy afaka nametraka fitoriana raha tsy efa tafavoaka ny hôpitaly. Omaly no nentina teny amin'ny Fampanoavana ny raharaha.
Ra - Delphine 
Lire aussi - Tanjombato : Un petit garçon fauché par une Mazda - Vaky fonja : Efa misy tomponandraikitra migadra 


6534midi-mg-007679-9793-04122008 Mpanakalo devizy notafihin'ny jiolahy
ANALAKELY
Mpanakalo devizy notafihin'ny jiolahy
Voambana basy ireo mpanakalo devizy roa lahy. Nalain'ireo jiolahy ny volabe ary nohidiany tao an-kabone izy roa lahy. Ny alatsinainy teo no niseho ity fanafihana ity tao amin'ny hotely iray tetsy Analakely. Naka efitrano fandriana tao ireo jiolahy ary nampiantso ireo mpanakalo vola. Nilaza izy ireo fa mila 8000 Euros. Tonga tokoa ny fotoana nifanomezana saingy tsy nanana afa-tsy 6600 Euros ireo mpanakalo vola. Natao tokoa ny fifanakalozana, kanjo vao vita izany dia nambanan'ireo jiolahy basy ireo mpanakalo devizy ary norahonany ka notereny hamerina ny vola natakalo. Tsy vitan'izay fa nohidiany tao an-kabone. Ora vitsy taty aoriana vao nisy nahita izy roa lahy. Rehefa nohamarinina dia anarana sandoka sy kara-panondro sandoka no nampiasain'ireo jiolahy nakana efitrano fandriana tao amin'ilay hotely. Ary mbola io karatra sandoka io ihany koa no nividianany ilay finday nampiasainy. Mbola tsy hita izay nanjavonan'ireo olon-dratsy hatramin'izao. Efa manao fikarohana ny polisy.



6534midi-mg-007680-9794-04122008 Faty efa simba natsikafon'ny rano
Ambatondrazaka
Faty efa simba natsikafon'ny rano
Razana efa simba sy mibontsina ary manomboka lanin'ny bibikely no hitan'ny fokonolona tao Amparikely Madiotsifafana. Toerana misy rano miangona io toerana io ary tao anaty tsikafona no nahitana ny razana izay marihina fa vehivavy eo amin'ny 35 taona eo. Araka ny nambaran'ny fianakaviany, dia efa tamin'ny alahady 23 novambra lasa teo no tsy hita izy. Nilaza ny hamonjy trano fivoahana izy ary tsy niverina intsony taorian'izay. Nitady azy ny fianakaviany, nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny fokontany nefa tsy nisy vokany izany. Kinanjo ny zoma 28 novambra teo no nahitan'ny mponina ity razana ity. Mbola tsy fantatra ny antony nahafaty azy, fa ny zavatra tsikaritra dia mivoaka ny lelany. Tsy dia lavitra ny tranon'izy ireo moa no misy ity rano feno tsikafona ity. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka ho hita eo ny tohiny. 
Janus R 


6534midi-mg-007681-9795-04122008 Any am-ponja ireo mpanao vola sandoka
Ambatondrazaka
Any am-ponja ireo mpanao vola sandoka
Niakatra tany amin'ny mpitsara mpanao famotorana tany Ambatondrazaka omaly ireo olona efatra nahatratrarana vola sandoka tany Amparafaravola tamin'ny alatsinainy teo. Fantatra taorian'izany fa notanana vonjimaika eny am-ponja izy ireo. Miisa efatra mianadahy ry zareo. Mitentina hatrany amin'ny 150 tapitrisa Ariary ireo vola tsy miady ireo. Tamin'ny fisavana nataon'ny mpitandro filaminana teo amin'ny fokontany Antsakoana no nahitana ireo zavatra ireo natao tanaty gonin'ampombo. Taratsy miendrika vola 10.000 Ariary sy 5.000 Ariary izy ireo ary efa norarahana ranom-panafody. Misy ampahany aza efa tena vola mihitsy raha ny fijery azy. Saika haparitaka any amin'iny faritr'Alaotra iny ireo vola ireo. Tale ambony taloha tamina hotely lehibe iray teto Antananarivo ny iray amin'ireo olona voarohirohy.
Janus 


6534midi-mg-007682-9796-04122008 Hiakatra Fitsarana anio
Raharaha Genie
Hiakatra Fitsarana anio
Anio no handalo eny amin'ny Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Anosy anio ny raharaha mampifanolana an'ny orinasa Genie etsy Mahavoky Besarety amina orinasa lehibe iray. Mitentina hatrany amin'ny 19 miliara Ia ny iadivana amin'izany. Resaka fanafarana lafarinina 5 kaontenera avy any Turquie no fototry ny olana. Efa hatramin'ny volana jolay taona 2005 no niantombohan'ity fifanolanana teo amin'ny roa tonta ity saingy tsy mety vita hatramin'izao. Efa notsaraina tany Toamasina ny raharaha saingy tsy vita fa mbola nangataka fampakarana amin'ny ambaratonga ambony ny mpitory. Nandresy izy tamin'izany ary nanapaka ny Fitsarana fa tokony handoa onitra 5.431.108.630 Ia ny voampanga araka ny didy nivoaka tamin'ny 23 jolay 2008. Tsy notanterahina anefa hatramin'izao io didiy navoakan'ny Fitsarana io ka mbola nametraka fitoriana vaovao eny anivon'ny Fampanoavana etsy Anosy indray ny mpitory. Efa nisy ihany ny hetsika saika natao, toy ny fanaovana lavanty ny fiara miisa 12 saingy tsy tanteraka izany. Nisy ihany koa ny fanagiazana ny kaontin'ny voampanga tany amin'ny banky saingy noho ny fihetsiketsehana marobe dia tsy tanteraka izany. Anio dia ho isan'ny handalo eny amin'ny Fampanoavana ihany koa ny mpiasa sasantsasany ao amin'io banky io. Ho fantatra anio ny tohin'ny tantara.



6534midi-mg-007683-9797-04122008 Tovolahy maty voatifitra teo amin'ny lohany
Fanafihana teny Antanimena. Tsy mitsitsy mihitsy ny jiolahy mpanendaka fa sahy mitifitra avy hatrany raha vao misy miseho manohitra azy.
Tovolahy maty voatifitra teo amin'ny lohany
Omaly tokony ho tamin'ny 2 ora no maty teny amin'ny hopitaly nitsaboana azy ilay tovolahy notifirin'ny jiolahy mpanendaka afakomaly tetsy Antanimena. Teo amin'ny lohany, ambonin'ny masony no voan'ny bala. Nivonto be mihitsy ny faritra nidiran'ny bala. Niady mafy tamin'ny fahafatesana tokoa izy. Efa nanao izay azony natao ireo dokotera tamin'ny fitsaboana azy nefa dia izao tsy tana izao ny ainy. Razafindratsimba Ratsimihah H. no anarany, 16 taona izy ary mpianatra tao amin'ny  Collège de France  eto an-drenivohitra. Eo anatrehan'ny zava-misy dia nitory ny fianakaviana ary mangataka ny hanaovana fanadihadiana mikasika ny bala nahavoa ny havany.
Amin'ny fotoana akaiky fety toy izao, dia mirongatra izay tsy izy ny asa fanendahana ataon'ny jiolahy. Saika manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra no andrenesana izany mila ho isan'andro mihitsy. Malaza manokana anefa ny eny Analakely, Antanimena miakatra mandeha ho aty Ankadifotsy, mihazo an'i Behoririka koa avy eo ary tafapaka hatrany Andravoahangy.
Ny fanendahana niseho tamin'ny talata dia teny Antanimena. Tao anaty fiara ireo olona nasian'ny jiolahy. Avy hatrany dia nambanan'ireto olon-dratsy tamin'ny basy ary samy tsy nisy nihetsika. Nalainy ny vangovango volamena teny amin'ny tanan'ilay mpamily. Raha nahita ny fandehan-javatra ilay tovolahy voatifitra io dia niezaka nandeha nivoaka. Ireo jiolahy, efa niomana ny handositra. Tamin'izay indrindra no nitodika ny iray tamin'ireo olon-dratsy ary nitifitra azy. Intelo nirefotra ny basy ka voa teo amin'ny lohany izy. Nisavoritaka nitady lalana handosirana ireo olona marobe teny an-dalana. Tamin'izay ihany koa no nahavoa lehilahy iray hafa teo amin'ny tongony. Samy nentina haingana tany amin'ny hopitaly izy ireo.
Andian-jiolahy mirongo basy. Tsy vao izao no nisy fanendahana tamin'ireo faritra voatonona etsy ambony ireo. Tsahivina ny namelezan-dry zalahy vazaha roa lahy teny Analakely tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny. Roa andro talohan'izany, nisy teratany Kaomorianina nenjehan'ny mpanendaka tamin'iny faritry Behoririka iny. Vola 50.000 Ariary no lasany. Naintso vonjeo ity vahiny ity fa ny mahagaga dia ity, mijery fotsiny ny mpandalo. Samy matahotra ireo basy mirangaranga. Voalazan'ny vaovao fa manao andiany maro ireo olon-dratsy amin'izany. Ireo mahita dia mialaza ombieny ombieny fa misy hatramin'ny folo izy ireo no miaraka.

Lire aussi - Analakely : Mpanakalo devizy notafihin'ny jiolahy - Ambatondrazaka : Faty efa simba natsikafon'ny rano - Ambatondrazaka : Any am-ponja ireo mpanao vola sandoka - Raharaha Genie : Hiakatra Fitsarana anio 


6534midi-mg-007684-9798-04122008 Efa-dahy nanafika mpanefy firavaka
Asan-jiolahy
Efa-dahy nanafika mpanefy firavaka
Tamin'ny alarobia maraina be tokony ho tany amin'ny 1 ora tany, notafihan'olona miisa efatra nitondra basy ny mpanefy firavaka iray teny Ankadindramamy. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola 3 hetsy Ariary sy ny volamena milanja eo amin'ny 20 grama eo. Raha vao azon-dry zalahy ny entana dia lasa nitsoaka izy ireo.
Tamin'io ora voalaza io, nisy nandondona tao amin'ny varavaran'ilay mpanefy. Asa izay zavatra niseho na nitonona ho nahafantatra azy ireo olona nandona na ahoana, fa dia nivoha soa aman-tsara ny trano. Avy hatrany dia nibosesika niditra ireo mpandroba. Nampitahoriny tamin'ny basy ny tompon-trano ka tsy nisy sahy nihetsika. Dia nalainy ny vola sy ny volamena.
Tahotra. Tato ho ato, miaina amin'ny tahotra ny mponina eo anatrehan'ny firongatry ny asan-jiolahy isan-karazany. Tsy ny fanendahana an-dalambe ihany fa hatramin'ny fandrobana amin'ny alina ihany koa.



6567midi-mg-007719-9830-05122008 Tovolahy nidaroka ramatoabe  Tratra ilay mpangalatra &quot;auto radio&quot;
Tovolahy nidaroka ramatoabe
Niakatra fampanoavana omaly ilay tovolahy vao erotrerony tratra namono sy nidaroka ramatoa be eo amin'ny 65 taona eo, tetsy amin'ny 67 ha. Ny alatsinainy teo no nitrangan'ny raharaha. Mpifanolo-bodirindrina moa izy mianaka ireto ary fantatra fa midoroka zava-mahadomelina ny tovolahy, fombany ny manakorontana ny manodidina rehefa iny mahazoazo iny izy. Indray andro àry, nisontasonta toy ny fanaony ny anao lahy, tsy naharitra ilay ramatoa be ka niteny. Tsy nahazaka ny fitenenana natao azy ilay tovolahy, teo koa moa ny hamamoany, ka dia  tsy nisalasala akory izy nandaroka ary nanosinkosina an'ilay ramatoa be tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy avy eo. Rehefa avy nohitsakitsahin'ity tovolahy ilay ramatoa, raha iny izy handeha haka hazo mbola hamelezana an'ity ramatoa ity iny no nisy mpandalo sendra nahita ka namonjy an'ilay ramatoa. Fantatra àry fa ny  09 Desambra izao no hotsaraina ity tovolahy ity.
Andrefan'Ambohijanahary
Tratra ilay mpangalatra auto radio
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny 5e ny mpangalatra auto radio mampitondra faisana iny faritra Anosy sy Andrefan'Ambohijanahary iny. Araka ny tatitra voaray avy any amin'ny manam-pahefana dia misy andian-jiolahy mampitaraina ny tompon'andraikitry ny fandriam-pahalemana sy ny mponina ao amin'ny fokontany IIIG-IIIM cités des jardins -Gallois Andrefan'Ambohijanahary. Tato anatin'ny fotoana foy izao dia maro ireo asan-jiolahy nifanesisesy, toy ny halatra auto radio, ny fanendahana...Efa fantatry ny tompon'andraikitra ao an-toerana moa ireo andian-jiolahy tena rangory fototry ny afo amin'izao tsy fandriam-pahalemana izao ka efa nangatahana fiaraha-miasa tamin'ny manam-pahefana mahefa.
R. Delphine - R. Delphine 


6567midi-mg-007720-9831-05122008 Rangahy efa raim-pianakaviana, tratra nandihy sady niboridana.
Bealanana
Rangahy efa raim-pianakaviana, tratra nandihy sady niboridana.
Tratra niboridana, sady nandihy sy nitehaka teo an-tokotanin'olona ilay raim-pianakaviana, izay manana ny mahaizy azy, tany Antafiandakana, Kaominina ambanivohitra Ambalapaiso, any Bealalana, ny alin'ny alahady lasa teo. Voalaza fa olona avy nitsilo hazandrano tamin'ny alina no nahatratra azy teo ampanaovana ny asa-ratsiny, izay tokony ho tamin'ny 11 ora alina tany ho any. Avy hatrany dia nohadinkadinin'ireo nahatratra azy moa ilay rangahy. Nilaza ho nafana izy, ka izany no nahatonga azy hiboridana;ny elanelan'ny tranony sy ilay toerana anefa eo amin'ny 70 metatra. Noho ny fiaraha-monina nisy tany an-toerana moa, dia navela nody tany an-tranony ihany izy ny alin'ny nahatratrarana azy io, ary naseho tamin'olona vitsivitsy mba ho vavolom-belona ny zava-dratsy nataony. Ary ny maraina no noheverina fa hatao famotorana eo anivon'ny Fokontany sy ny Soja be misy any an-toerana. Tsy hita anefa izay nalehan'Ing.rainy, nony nazava ny andro. Rehefa nanontaniana ny vady aman-janany dia nilaza fa vao mangiran-dratsy no niala tao an-tranon'izy ireo ilay rangahy, ary tsy nanazava ny toerana izay halehany. Marihina manokana fa tsy nampahalalaina ireo fianakaviany ilay tranga nisy ny alina. Araka ny tsilian-tsofina farany tamin'ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia niala tanteraka teo amin'io tanàna nisy azy teo aloha io ilay rangahy. Fantatra ihany koa fa efa hatry ny ela no nametrahan'ny olona teo an-tanàna ny ahiahy ratsiny tamin'Ingahibe izay efa mananika ny faha-60 taonany io tratra niboridana io. Mateti-pitranga moa ny trangan-javatra toy itony saingy dia ny vehivavy mazàna no tratra, manao azy.
Mamy Augustin. 


6567midi-mg-007721-9832-05122008 Maty novelesiny hazo nisy fantsika ny vadiny
Maty novelesiny hazo nisy fantsika ny vadiny
Afaka roa andro dia maty ilay lehilahy novelesin'ny vadiny tamin'ny hazo nisy fantsika. Voa teo amin'ny hatony ity rangahy ity. Tamin'ny sabotsy teo no niseho izany, teny Mahazoarivo Atsimo Antsirabe. Nifamaly mafy teny amoron-dalana ny olona roa, vavy sy lahy. Mpivady araka ny fomban-drazana efa nisaraka izy ireo. Resaka vola homena ilay vehivavy no fototry ny resaka. Tampoka teo anefa, naka hazo sendra ny tanany ilay ramatoa. Nasiany tamin'iny ilay vadiny taloha. Naratra mafy ary nentina tany amin'ny hopitaly notsaboina. Afaka nandeha nody izy nony avy eo. Niverina tany amin'ny hopitaly, ny talata, nojeren'ny dokotera. Asa anefa izay niseho fa maty izy ny alarobia. Nitory moa ny havany ary nosamborina ilay vehivavy.
Lova 


6567midi-mg-007722-9833-05122008 Famorana  niafara tamin'ny fifamonoan'ny samy mpitarika posy
Famorana  niafara tamin'ny fifamonoan'ny samy mpitarika posy
Samy mpitarika posy ao Toamasina izy roa lahy. Azo lazaina aza fa misy rohim-piavanana akaiky ihany. Saingy ity tokoa ilay hoe valilahy tsy mba havana . Mpizoadahy ny heviny ara-pianakaviana. Ny iray anadahin-dramatoa, ny iray koa rahalahin-drangahy. Samy tao amin'ny lanonana nokarakarain'izy mivady izy roa ireo. Ny faran'ny herinandro teo no nanatanteraka ny lanonana mifandraika amin'ny famorana ny zanany ity tokantrano iray. Tsy nahatendry fo anefa ny zandrin'ilay ramatoa ka avy dia namely ny raikalahy. Voadonan'ity farany mantsy ny zavapisotro napetrany ka nisy ny vaky ary teo koa ny very. Teo no niatombohan'ny adin'izy roa lahy. Tsy te hanakorontana ny lanonam-pianakaviana anefa ilay zandrin-drangahy ka namonjy fodiana. Teny no nanenjehan'ilay zandrin'ilay ramatoa azy ireo. Notsatohany antsy in-droa teo amin'ny kibony. Niakarapoka teny amin'ny tany avy eny ambony posy izy. Nambaran'ny nahita fa kely sisa tsy hivoaka tany amin'ny lamosina ireo tsindrona antsy ireo. Mbola nasehon'ilay avy namono ny fianakaviana tao amin'ny lanonana ny rà tamin'ny tanany sy ny akanjony. Tonga nilaza ny zava-misy ihany koa ireo naira-dia tamin'ilay voatsatoka antsy. Nitsoaka ilay namono rehefa avy eo, sao iharan'ny hatezeran'ny mpiara-monina.
Jean-Claude STEVE 


6567midi-mg-007723-9834-05122008 Famonoana soafera taxi ; 2 voaheloka ho faty
Heloka bevava. Vaovao anisan'ny nanaitra ny maro tamin'ity taona ity ny nahafaty ilay mpamila taxi hita faty tao anaty lavadrano teny Lazaina.
Famonoana soafera taxi ; 2 voaheloka ho faty
Tamin'ny fomba feno habibiana no namoan-dry zalahy ny mpamily ilay taxi iray, volana maromaro lasa izay. Nofolahany roa, avy eo nampidirina tao anaty gony ary nalatsany tany anaty lavadrano, teny amin'ny faritr'i Lazaina.
Efa hariva ihany tamin'izay fotoana izay. Nisy olona naka taxi teny akaikin'ny hopitaly Ampefiloha. Olona roa ry zareo no teo tamin'izay fotoana izay. Tsy nety nandeha ilay nanontaniana voalohany. Ilay faharoa no narisika ny hitondra ireo mpanjifa ireo. Natao ny ady varotra ka raikitra fa handoa vola hatrany amin'ny 10 000 ariary ireo mpanjifa. Teo dia nomena ny antsasaky ny vola, ny ambiny rehefa tonga any amin'ny toerana haleha. Teny andalana anefa, nivadika ny rasa, niharan'ny herisetra ingahy mpamily ary ry zalahy no nitondra ny fiara.
Filazana olona very. Rehefa tsy nahita azy nody ny havan'ilay mpamily dia nandeha nikaroka azy hatraiza hatraiza. Tonga hatreny Antanandrano, teny Ivato, tsy nahita. Natao koa ny filazana an-gazety fa tsy nisy vokany. Tena ketraka tokoa. Afaka herinandro vitsy, nahita fatin'olona tao anatin'ny lavadranony ny tompon'ny trano amboariana iray teny akaikin'ny tananan'i Lazaina, tamin'ny faha-10 oktobra 2007. Rehefa nalaina ny razana dia fantatra fa hay ilay mpamily taxi io nisy namono io.
Famotorana.  Niditra an-tsehatra ny polisy misahana ny fikarohana ny mpamono olona. Tsy naharitra ela dia fantatra izy ireo. Monina tsy lavitra teny amin'ny faritra nahitana ny razana avokoa izy ireo. Olona dimy, tamin'izay fotoana izay, no voarohirohy tamin'ity halatra miaro vonoan'olona ity. Rehefa nandalo ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo dia notanana am-ponja vonjy maika.
Naikatra fitsarana omaly ny raharaha. Efatra no tonga niatrika izany.
Voaheloka ho faty. Omaly ihany dia nivoaka ny didy. Voaheloka ho faty ny roa izay tena atidoha nikotrika ny halatra sy ny famonoana. Ny fahatelo saziana hiasa an-terivozona 15 taona. Ny roa sisa kosa dia nohafahana noho ny fisalasalana.

Lire aussi - Tovolahy nidaroka ramatoabe - Bealanana : Rangahy efa raim-pianakaviana, tratra nandihy sady niboridana - Maty novelesiny hazo nisy fantsika ny vadiny - Famorana  niafara tamin'ny fifamonoan'ny samy mpitarika posy 


6572midi-mg-007730-9843-06122008 19 congrès régionaux
TIM
19 congrès régionaux
Le parti présidentiel n'a pas pu respecter son calendrier de mettre en place avant la fin de l'année les structures du parti au niveau des 22 régions. Après des reports sur reports, les congrès régionaux du TIM sont renvoyés en 2009 pour certaines localités. Il s'agit, entre autres, des régions Itasy, Diana, Vakinankaratra et Analamanga qui boucleront la boucle. Jusqu'à présent, la moitié des REGTIM a été installée. Ils sont opérationnels dans 10 régions, dont Androy, Betsiboka, Boeny, Bongolava, SAVA, Haute Matsiatra, Amoron'i Mania, Analanjirofo, Atsinanana et Vatovavy Fitovinany. Ce jour, des représentants du bureau politique seront à Alaotra Mangoro, Ihorombe et Menabe, afin d'assister à la conférence régionale du parti dans ces localités. Suivront ensuite les régions Atsimo Andrefana qui se tiendront demain, Atsinanana, le 12 décembre et le 20 décembre pour la Région Anosy. 
Davis R 
Politique 

6588midi-mg-007747-9859-06122008 Ramatoabe may irery tao an-tranony
Anjanahary
Ramatoabe may irery tao an-tranony
Ramatoa be, 70 taona, no may tao an-tranony ao Anjanahary ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin'ny 05 ora maraina. Nipetra-drery ity ramatoabe ity ary ny fokonolona no nahita ny firehetan'ny tranony ka namonjy azy. Naratra mafy tokoa izy ka nentin'ny fokonolona avy hatrany teny amin'ny H.J.R.A. Tsy tana anefa ny ainy omaly maraina. Hatramin'izao dia mbola tsy fantatra izay tena niavian'ny afo satria tsy mahandro sakafo ao an-trano ramatoa ary tsy mampiasa afo ihany koa. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina aminy no andrian'ny ahiahin'ny fianakaviana. Andro vitsivitsy mialoha ny nahafaty an'ity ramatoa ity mantsy dia fantatra fa nindram-bola taminy ity vehivavy ity ary namoaka teny mahery rehefa tsy nahazo izany. Tsy hanaiky mora foana fa hametraka fitoriana ny fianakavian'ity vaviantitra maty ity.
Delphine R. 


6589midi-mg-007749-9860-06122008 Levon'ny afo tanteraka ny trano hazo miisa fito
Mahavoky. Nanome vahana ny afo ny firafitr'ireo trano mifanetinety naorina. Tonga ho azy koa ny rivotra ka vetivety dia niitatra ny fahamaizana.
Levon'ny afo tanteraka ny trano hazo miisa fito
Ny tomanin'ity ramatoa iray dia mahafehy tsara tokoa ny fahasimbana vokatry ny fahamaizan'ny trano hazo miisa fito tetsy Mahavoky omaly. Tapitra tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tamin'ireo trano nirehitra ireo. Araka ny vaovao, dia avy tamina tranon'olona mpanamboatra radio no niandohan'ny afo. Nisy ireo nilaza fa toa hoe zaza nilalao afo no nahatonga ny loza. Araka ny fitantaran'ny sasany, dia fofona lamba may no re tamin'ny voalohany. Samy mbola tsy nisy taitra ny rehetra. Efa nijoalajoala anefa ny lel'afo voa nikoropaka ny iray tanàna. Ireo nanana trano manakaiky ireo efa nirehitra ihany koa niholomay namoaka ny entany. Nandray anjara avokoa na lahy na vavy. Ny afo tetsy andaniny niha-nahery vaika hatrany. Ny tao amina trano iray izay marihina fa vita amin'ny hazo ihany koa dia tsy maintsy nopotehina mihitsy ny rindrina mba nahazoana namoaka haingana izay entana azo navotana. Ny mampalahelo, raha samy variana ny tompon'entana dia efa tonga naka izay zakany ihany koa ny mpanararaotra.
Tokony ho tamin'ny 3 ora latsaka fahefany no niandohan'ity hain-trano ity. Samy tsy nisy olona tao anatin'ireo trano nirehitra ireo fa tany am-piasana sy tany an-tsena avokoa. Saika mpivarotra ny akamaroan'ireo tompon-trano. Tsy maintsy nampandrenesina izy ireo. Rehefa tonga anefa izy ireo dia tsy afa-nanao na inona na inona fa nitazam-potsiny ny faharavana. Misy ny nikiaka nitomany toy ilay ramatoa voalaza etsy ambony. Ankoatra ny fahamaizan'ny entany mantsy dia tsy hitany koa ny zanany vao valo taona. Nisy ireo nankahery azy ka nilaza fa tsy may tao akory ny zanany fa velona soa aman-tsara.
Tonga teny  an-toerana ny mpamono afo avy eny Tsaralalàna nanao ny asany. Naharitra ela ihany vao voafehy ny fifindran'izany afo izany.

Lire aussi - Anjanahary : Ramatoabe may irery tao an-tranony 


6589midi-mg-007750-9861-06122008 Olona iray maty voatifitra, efatra hafa naratra mafy
Asan-jiolahy. Hatraiza hatraiza dia andrenesana fanafihan-jiolahy. Tsy an-tanàn-dehibe ihany fa hatrany ambanivohitra rehetra any.
Olona iray maty voatifitra, efatra hafa naratra mafy
Tamin'ny alin'ny faha-2 desambra teo, notafihan'ny jiolahy miisa valo ny tanàna iray antsoina hoe Analasoa any Amboasary Moramanga. Vokatr'izany fandrobana izany, raim-pianakaviana iray no maty voatifitra ary olona efatra hafa naratra. Voalazan'ny mpanome voavao fa nirongo basy mahery vaika toy ny PA sy kalach izy ireo. Nisy tamin'ireo jiolahy ireo aza nanao fanamiana miaramila ary ny sasany nisaron-tava. Trano telo no indray notafihany tamin'io. Mandondona ry zalahy ary avy dia miditra rehefa avy eo. Rehefa tafiditra tao amin'ny trano voalohany izy ireo dia nalainy avokoa ny entana sarobidy hitany tao, toy ny telefaonina sy firavaka. Rehefa izany, nandondona tao amin'ny trano faharoa indray ry zalahy. Toa somary ela, araka ny vaovao voaray, ny varavarana vao nivoha ka nampiasan'izy ireo ny basy. Voa tamin'izany ilay raim-pianakaviana ka izay no nahafaty azy. Vola 1 tapitrisa Ariary indray no azon'izy ireo tao. Niditra tao amin'ny trano fahatelo izy ireo ary lasany avokoa ny entana.
Tena mahery vaika tokoa ity andian-jiolahy ity. Nony maraina moa ny andro dia nampilaza ny mpitandro ny filaminana ny mponina. Natao ny fanenjehana ireo jiolahy ka nahitam-bokany izany. Sivily roa sy miaramila iray no voasambotra. Voarohirohy amin'ity raharaha ity izy ireo. Tsy maintsy naka mpitandro ny filaminana hafa nanampy azy ny tany an-toerana vao nahavita ny fisamborana. Voalaza fa misy tanàna kely iray ipetrahan'ireto olon-dratsy ireto.



6590midi-mg-007753-9866-08122008 Vehivavy maty efa ho telo andro tao an-tranony
AMBOHIPO. Efa simba  be ny razana, ary mampiahiahy ny mpanao famotorana ny fomba nahafatesany.
Vehivavy maty efa ho telo andro tao an-tranony
Vehivavy iray 60 taona no hita maty tao an-tranony teny Ambohipo, omaly. Elaela tsy tazan'ny olona izy nefa ny tranony misokatra ihany. Nanahy ny rehetra ka niantso  ny tomponadraikitra ao amin'ny fokontany. Rehefa nojerena tokoa, maty izy ary efa simba be ny razana. Mipetra-drery ity vehivavy ity. Tsy mbola fantatra anefa hatramin'izao izay tena antony nahafaty azy, fa raha araka ny fijerin'ny mpanao famotorana dia mampiahiahy ny fomba nahafatesany. Mbola mijery ihany koa ry zareo sao nisy zavatra very tao an-tranony. Ny hita ety ivelany fotsiny dia mivonto be ilay razana. Araka ny voalazan'ny mpitsabo nanao ny fizahana ifotony ny razana dia efa ho tany amin'ny telo andro tany ho any no nahafatesan'ity ramatoa ity. Misokatra amin'izao fotoana izao  ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana.
Nahitana fatim-behivavy hafa ihany koa tany Mahalavolona, akaikin'Analamanga Park, ny sabotsy teo. raha ny fijery azy dia novonoina ity vehivavy ity. nokendaina tamin'ny tady vy ny tendany rehefa avy naolana izy. Mbola manao fanadihadiana mikasika io koa ny mpitandro filaminana. Nisy nilaza ho nahita azy niaraka tamian'ny tovolahy iray talohan'ny nahitana ny razana.
Ankoatra izay dia mbola nahitana razana roa hafa ihany koa teto an-drenivohitra. Ny iray dia raim-pianakaviana maty tamin'ny fomba mampiahiahy teny Manakambahiny. tsy nahitana ratra tety ivelany afa-tsy teo amin'ny masony. mitohy ny famotorana. nisy raim-pianakaviana hita faty tao an-tranony ihany koa teny Madera Namontana ny faran'ny herinandro teo. Efa misy ihany koa fanadihadiana nosokafana mikasika izao raharaha izao.

Lire aussi - Vaovao tapatapany 


6590midi-mg-007754-9867-08122008 Vaovao tapatapany
Vaovao tapatapany
 - Super music Analakely, hita teo an-tokontany ny fatin'ny mpiambina. Ny asabotsy teo, tamin'ny 6 ora maraina, no hita teo an-tokontanin'ny super music ny fatin'ilay lehilahy mpiambina an'ity toerana ity. 53 taona ny lehilahy ary efa 20 taona no nanaovany ity asa ity teo an-toerana isan-kalina. Ny tena nahatalanjona tamin'ny nahafatesan'ity mpiambina ity moa dia tsy fantatra mihitsy izay antony tena nahafaty azy satria tsy nahitana teny amin'ny vatany na dia ratra iray aza.
 - 67 ha, andian'ankizy mpanendaka tratra. Andian'ankizy 10 ka hatramin'ny 13 taona ireto mpanendaka tratra ireto ary finday no tena angalarin'izy ireo. Ny alakamisy alina teo dia mpivady nisakafo tamin'ireny trano fisakafoana ireny no voan-dry zareo, finday roa no azony tamin'izany. Fantatra àry fa mba hahazoan-dry zareo izay tadiaviny dia misitrika ao ambany latabatra izy ireo ary avy ao no mijaiko ny poketra ka maka ny finday. Ny tena nahamahina ny olona moa dia ny nahita ireo ankizy maro nivorivory teo am-baravaranana. Rehefa tonga saina ny amin'ny fahaverezan'ny fananany ireto tompony dia ireo ankizy mpirenireny teo amin'ny manodidina no noterena ka dia nanoro ny toerana  misy an'ireto andian'ankizy mpanendaka ireto. Noho izany, ny zoma teo izy ireo dia noraisim-potsiny tany amin'ny trano fonenany. Avy hatrany moa dia nalefa eny Anjanamasina izy dimy ireto.


6621midi-mg-007788-9898-08122008 Lasan'ny jiolahy ny  volamena sy ny vola
HALATRA. Vola sy firavaka volamena ihany no nangalan'ireto olon-dratsy fa ny entana toy ny fanaka samihafa najanon'izy ireo.
Lasan'ny jiolahy ny  volamena sy ny vola
Nanao izay danin'ny kibony tao amin'ilay trano iray nidirany  ireo mpangalatra efa-dahy, ny alin'ny faha-17 novambra lasa teo iny, tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andrafaikona, any Vohemar. Voalazan'ilay tompon-trano moa fa nahita olona efatra niditra tao aminy izy, saingy tsy afaka nihetsika fa lasa toy ny ireny olona manonofy ireny fotsiny teo. Taorian'izay dia tafandry indray izy, mpianaka izy ireo no natory tao amin'ilay trano nidiran'ireto jiolahy. Vola sy firavaka volamena ihany no nangalan'ireto olon-dratsy fa ny entana toy ny fanaka samihafa najanon'izy ireo. Fanalahidy nitovy  no nanokafana ilay  varavarana, araka ny fanazavana azo tamin'ilay notafihina. Rehefa nahazo izay nilainy mantsy ry zareo dia nohidiny tamin'ny fanalahidy indray ilay trano. Tetika efa voaomana, hoy ilay tompon-trano, ny fomba nanatanterahan'ireto mpanafika ny teti-dratsiny, ary dia misy olona mahafantatra tsara ny momba azy ireo tao ambadika. Tsy miala eo amin'ilay toerany ny fanalahidy, isan'andro mba tsy hisy lakilé hafa afaka hitsofoka intsony moa no tena anton'izany. Nahagaga anefa fa tamin'ny andro nisian'ilay tranga dia niala tsy teo amin'ny toerany ilay lakilé. Voalazany fa nisy namindra toerana mialoha, tsy lavitra akory fa mbola tao an-trano ihany. Mbola vao efa-taona monja ilay zanany tao an-trano izay heveriny fa tsy mbola afaka ny hiray tsikombakomba tamin'ilay asa-ratsy. Nampiasa ody mahery ireto mpangalatra matoa toy ny nofy ny fomba nahitany azy ireo tao an-tranony. Lelavola mitentina, 1.600.000Ar no lasan'ireo tsy mataho-tody tao amin'ilay tokantrano, manginy fotsiny ireo volamena.



6626midi-mg-007794-9904-09122008 Lehilahy nangalatra tao am-piangonana
Itaosy
Lehilahy nangalatra tao am-piangonana
Ny zoma teo dia tratran'ny mpitandrina ity lehilahy iray tokony ho 35 taona raha nikasa haka ireo fitaovana fanamafisam-peon'ny fiangonana. Efa teny am-pelatanan'ity rangahy ity moa ireto fitaovana ireto ary efa saika hoentiny nivoaka no tratran'ilay mpitandrina. Fantatra àry fa efa mamomamo ity lehilahy ity. Tsy nanaiky moa ity mpitandrina ity ka dia nitory. Niakatra fampanoavana, omaly, moa ny raharaha.



6626midi-mg-007795-9905-09122008 Tapatapany
Tapatapany
 - Anjozorobe. Fahatratrarana fitaovam-piadiana. Nandritra ny opération fampandriana fahalemana ny tontolo ambanivohitra nataon'ny zandary avy ao amin'ny Poste avancé Betatao, ny 5 desambra 2008 teo, tao Miakadaza-Anjozorobe, dia olona roa no tratra nitazona basy vita gasy iray niaraka tamin'ny bala miisa efatra. Notazonina niraka tamin'ireo fitaovam-piadiana ireo izy ireo ary mbola anaovana fandihadihana mikasika ny fiavian'ireo fitaovana ireo.
 - Tsiafahy. Fiara nandona moto. Fiara huyndai no nifandona tamin'ny moto iray ny 7 desambra tamin'ny 10 ora 20mn maraina teo Amparafara, fokontany Ankorondrano, kaominina Tsiafahy. Naratra vokatr'io loza io ilay mpitondra moto ka nalefa avy hatrany hamonjy ny HJRA.
 - Antsirabe. Toaka gasy 36 jerrican tratra. Fiara baché iray nitondra toaka 36  jerrican no tratran'ny zandary teo am-panaovana barrage ny 6 desambra teo, tany Manandona Antsirabe II. Rehefa nanontaniana ny tompon'io toaka io dia nilaza fa saika hoentiny any Atsimotsena Antsirabe ireo toaka ireo.
 - Antsirabe. Palissandre 50 sarona. Fiara vaventy camion volvo misarika remorque no tratran'ny zandary avy ao Antsirabe nitondra hazo palissandre vaventy (longrine) 50 isa izay mirefy 4m - 3m - 2.5m ny 7 desambra teo, tokony ho tamin'ny  7 ora maraina, teo Ambohimanarivo Andranonahoatra, Antsirabe II; Rehefa nanontaniana ny taratasy mikasika ireo hazo ireo ilay teratany vahiny niaraka tamin'ilay camion dia nilaza fa tsy any aminy fa any amin'olon-kafa.
Nangonin'i r.s 


6626midi-mg-007796-9906-09122008 Miaiky ny polisy fa miparitaka ny basy
Fandriampahalemana. Niompana tamin'ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ny valan-dresaka, omaly, teny Anosy. Avy aiza tokoa ny basy?
Miaiky ny polisy fa miparitaka ny basy
Namory mpanao gazety teny Anosy, omaly folakandro, ny tompon'andrakitra avy ao amin'ny polisim_pirenena, mikasika indrindra ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana sy ny tsy fandriam-pahalemana aterak'izany. Miaiky ireo mpitandro filaminana amin'ny fahamarinan'izany.
Tato ho ato dia nifanesisesy ireo fanafihana etsy sy eroa àry saika andian-jiolahy mitondra basy avokoa no manatanteraka izany.  Voalaza àry fa noho ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana dia tsy mionona fotsiny amin'ny fanendahana ny jiolahy  fa tena mitifitra mihitsy ary mahafaty mazàna. Mipetraka, noho izany, àry ny fanontaniana ny amin'izay ahazoan'ireny jiolahy ireny ny basy sy ny  bala hoentiny manao ny asa ratsiny. Nilaza àry ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny polisy ny amin'ny fomba mety hahazoan'ny jiolahy manana ireny basy sy bala ireny: misy  ireo mpanamboatra basy, eo koa ny fanafihana polisy ka akana ny fitaovam-piadiany rehefa  voa n'ireo jiolahy izy ; eo koa  ny fanafihana atao amin'ny olon-tsotra izay efa nahazo alalana  hitam-basy ka angalarana ny basy eo am-pelatanany.
Ankoatra ireo dia mbola misy koa, hoy ny tompon'andraikitra, ireo basy tamin'ny raharaha 2002 mbola mivezivezy. Tsy miraviravy tanana amin'izao anefa ny manam-pahefana fa maro ireo fepetra efa noraisina mba hamongorana ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana. Efa maro araka izany ireo naiditra am-ponja mikasika indrindra  ity resaka basy ity. Amin'izao an-katoky ny fety izao,  izay fotoana tena mampirongatra ny asan-jiolahy, dia manentana ny be sy ny maro mba ho mailo hatrany ary hiara-hiasa aminy ny mpitandro filaminana raha  misy olona mampiahiahy mba ho fitandrovana ny ain'ny be sy ny maro.
Fa ny tena mahavariana ny mpanara-baovao dia ny fahaizan'ireny jiolahy sy mpandroba isan-karazany ireny mampiasa tsara ireny basy eny aminy ireny.
R. Delphine 
Lire aussi - Itaosy : Lehilahy nangalatra tao am-piangonana - Tapatapany - Affaire Génie : Indignation du plaignant 


6626midi-mg-007797-9907-09122008 Roalahy voadonan'ny fiara, 1 maty, 1 vaky loha  Zandary nanenjika mpangalatra, maty an-drano
Antsirabe
Roalahy voadonan'ny fiara, 1 maty, 1 vaky loha
Tamin'ny alahady teo, nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty sy naharatrana olona teny Andranonahoatra Antsirabe. Tovolahy roa no niaraka, ny iray nitondra bisikileta, ny faharoa nandeha an-tongotra. Nisy fiara 4X4 iray nisosososo avy any. Indray voadona ireto tanora ireto ka maty tsy tra-drano teo ny iray izay 17 taona. Ny iray kosa izay vao 12 taona, vaky ny lohany ary tapaka ny tongony. Notaritin'ilay fiara lasa hatrany amin'ny 20 m io namoy ny ainy io. Noho ilay fiara nivadika vao tafajanona. Saika tsy tafavoaka avy tao anatiny tao ny mpamily raha tsy nosokirina mihitsy. Naratra be koa izy. Voalazan'ny vaovao fa mamo ity saofera ity. Samy mbola tsaboina any amin'ny hopitaly izy sy ilay zaza lahy kely.
Lova
Zandary nanenjika mpangalatra, maty an-drano
Tamin'ny zoma lasa teo, nisy fanafihan-dahalo tao amin'ny tanana iray any Mandoto Antsirabe. Nanao ny fanarahandia ny fokonolona sy ny zandary. Rehefa lasa lavidavitra, tsy maintsy miampita rano na ny mpangalatra na ny mpanenjika. Tamin'izay fotoana izay, izany hoe ny sabotsy, lasan'ny rano ny zandary iray. Teny amin'ny faritra antsoina hoe Vasiana no niseho izany. Najanona ny fanenjehana fa ny namonjy ilay nentin'ny rano no natao. Nannomboka ny fikarohana azy nefa tsy nisy vokany. Mbola nitohy izany fikarohana izany ka omaly alatsinainy voa hita ny razana. 35 taona ity mpitandro filaminana maty an-drano ity.
Lova 


6677midi-mg-007851-996-18012008 Omby 11 matin'ny aretina
Omby 11 matin'ny aretina
  Mirongatra izay tsy izy ny aretin'omby any amin'ny tanàna atao hoe Ambohitromby, 34 km atsimo atsinanana an'Ankazobe. Valan'aretina telo samy hafa no mandripaka ireo biby fiompy amin'izao fotoana izao. Ny voalohany amin'izany dia ilay antsoina hoe charbon. Toy izao no fisehony: mandringa ilay omby ary tsy mihinan-kanina, efatra no maty. Ny aretina faharoa dia ny météocisleme. Mibontsina ny kibon'ilay biby ary malain-komana ihany koa izy, telo no maty. Ny aretina fahatelo dia ny colibacillose. Mivalana be ilay biby ary iny no mitarika ny fahafatesany, efatra no maty. Mitotaly 11 izany ireo omby maty. Ankoatr'ireo maty ireo, dia nisy ihany koa narary miisa 12. Nahazo fitsaboana ara-potoana ireo ka sitrana. Efa tany an-toerana ny mpitsabo biby niaraka tamin'ny tomponandraikitra nandray ny fepetra rehetra. Tany amin'ny faritry Moramanga sy Vakinankaratra dia nisy ihany koa ny omby, mahatratra hatrany amin'ny 19 any, matin'ny kongona.
r.s.


6678midi-mg-007853-9964-10122008 Fisolokiana amina varotra fiara
Fitsarana
Fisolokiana amina varotra fiara
Varotra hosoka sy fisolokiana, nidoboka vonjimaika am-ponja ny olona roa nisoloky nivarotra fiara. Fitaka be vava no nataon'izy ireo ireo olona hividy. Tamin'ny volana septambra teo no nisehoan'izany. Nisy fianakaviana mitady fiara hovidiana. Nanatona azy ny olona iray ary nilaza fa mahita, saingy any an-dafy io fiara io. Tsy mandoa vola mialoha fa ny taratasy sy ny ladoany ihany no karakaraina. Nisy sarina fiara tsara tarehy nampisehony ireo olona hividy. Raikitra ny varotra ka nandoa vola 90 tapitrisa ny mpividy. Tonga ny fotoana nifanomezana ka nandeha tany amin'ny trano tokony hivantanan'ilay fiara ireto mpividy. Rehefa tany anefa dia nilaza ny tomponandraikitra tao fa hosoka avokoa ireo taratasy rehetra ireo. Nantsoina ilay nivarotra ary dia nilaza fa mba voafitaka koa izy sady mody nitomany. Tsy nanaiky anefa ireo mpividy fa nitondra ny raharaha teny amin'ny Fitsarana.



6678midi-mg-007854-9965-10122008 Olona iray nataon'ny dahalo takalon'aina
Besalampy
Olona iray nataon'ny dahalo takalon'aina
Tsy vitan'ny nangalatra omby fotsiny ireo dahalo fa mbola naka olona iray ihany koa hataony takalon'aina. Toy ity nitranga tany Antanambao Ambodimanga, any Besalampy ity. Nisy dahalo tonga nanafika tao amin'io tanàna io. Toy izao ny fisehony. Omby 70 no norobain'ny dahalo 14 lahy tao Antanambao, Fokontany Ambodimanga, Distrikan'i Besalampy, ny 5 desambra 2008 lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana maro izy ireo tamin'izany. Basim-borona telo ary Revolver iray. Tsy vitan'izany fa mbola nitondra olona iray nataony takalon'aina ihany koa. Noho ireto omby ireto henjana, izany hoe tsy mihidy am-bala, dia tsy tanan'ireo dahalo ny omby. Rehefa niverina avy nanara-dia anefa ireo fokonolona dia nandrasan'ny dahalo ka olona roa no naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy. Nalefan'izy ireo ihany koa ilay olona nataony takalon'aina rehefa avy nampijaliany. Mbola miatrika fitsaboana miaraka amin'ireo roalahy voatifitra ity nataon'ny dahalo takalon'aina ity amin'izao fotoana izao. Mitohy ny fanenjehana sy ny fikarohan'ny zandary avy ao amin'ny Brigade Mahabe ireo dahalo ireo.



6678midi-mg-007855-9966-10122008 Migadra iray taona ilay Afrikanina tatsimo
Fanondranana biby
Migadra iray taona ilay Afrikanina tatsimo
Nivoka omaly tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha nahatratrarana ilay Afrikanina tatsimo saika hanondrana an-tsokosoko biby miisa 388 avy eto Madagasikara. Raha tsahivina dia ny 04 novambra lasa teo izy no tratran'ny tomponandraikitry ny fadin-tseranana teny Ivato miaraka amin'ireo biby ireo niafina tany anaty entany. Voaheloka iray taona an-tranomaizina sazy mihatra ity vahiny ity.



6678midi-mg-007856-9967-10122008 Fetin'ny taranaka
FJKM Andrambato Fehizoro
Fetin'ny taranaka
Toy ny fanaontsika isan-taona dia hotanterahina amin'ny faha-14 desambra, ny alahady faharoa amin'ny volana desambra, ny fetin'ny taranaka eto amin'ny FJKM Andrambato Fehizoro. Antsoina amin'izany isika taranaka rehetra. Hanomboka amin'ny 9 ora ny fotoana. Maro ny zavatra hotontosaina amin'io fotoan-dehibe io.


6679midi-mg-007858-9969-10122008 Polisy roalahy tratra nivarotra ny basiny
TSARALALANA. Tsy mahagaga raha miparitaka etsy sy eroa ny fitaovam-piadiana ary mahasahy mamono olona mihitsy ny jiolahy. Ny mpitandro filaminana mihitsy no mamatsy basy azy.
Polisy roalahy tratra nivarotra ny basiny
Voasambotra ary nalefa vonjimaika eny am-ponja omaly ireo polisy roalahy tratra nivarotra ny basiny. Tsy iza izany fa ny brigadier de police RAZAFINDRAKOTO Maminirina Edmond sy ny agent de police RAKOTONDRABE Rolland, polisy miasa ao amin'ny Commissariat central etsy Tsaralalàna. Namidin'izy roalahy ny basy Kalachnikov sy ny carabine SKS, basy fampiasan'izy ireo. Ny alin'ny zoma 5 desambra lasa teo dia nalefa teny Ankorondrano, ao amin'ny village des jeux izy roalahy mba hiambina sy hanara-maso ny fandravana trano natao tao. Tsy nandeha tany amin'ny toerana nanirahana azy anefa izy ireo fa nivily lalana ary nisy nahita nitaingina fiara Peugeot 104 nihazo an'Analakely, nankany Andranomena, 67 Ha, Andohatapenaka, nandray ny Route Digue ary tonga hatrany Andranomena. Ny ampitso dia niverina tany amin'ny birao i Rolland sy i Maminirina saingy tsy nanao tatitra tamin'ny lehibeny ny asa nampanaovina azy ary tsy nitondra basy ihany koa. Fotoana fohy taty aoriana rehefa nofotorana izy roalahy dia nilaza fa very ny basiny saingy tsy nanao tatitra mikasika izany izy ireo. Taorian'ny famotorana anefa dia fantatra ihany fa namidin'izy ireo ny basiny.
Araka ny nambaran'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny polisim-pirenena dia ho henjana ny sazy miandry azy roalahy ireto ary tsy hisy fandeferana mihitsy. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary notazonina vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana. Ankoatra ny sazy izay homen'ny Fitsarana dia mbola hisy sazy amin'ny maha miaramila azy ireo koa.
Izao trangan-javatra miseho izao dia manaporofo fa tsy tongatonga ho azy ireny basy miparitaka ireny fa misy mpitandro filaminana miray tsikombakomba amin'ireo jiolahy.

Lire aussi - Fitsarana : Fisolokiana amina varotra fiara - Besalampy : Olona iray nataon'ny dahalo takalon'aina - Fanondranana biby - FJKM Andrambato Fehizoro : Fetin'ny taranaka - Précisions 


6688midi-mg-007869-998-18012008 Olona 16 nosamborina, vehivavy ny iray
Olona 16 nosamborina, vehivavy ny iray
Aina R.
Ankazobe : Omby 11 matin'ny aretina


6689midi-mg-007871-9981-11122008 Kômôriana tratra saika hampiditra rongony
ANTANIMORA. Hentitra ny fisavana ny entana miditra ao amin'ny fonja, indrindra taorian'ireo fitsoahan'ny gadra nifanesy ireny.
Kômôriana tratra saika hampiditra rongony
Tovolahy teratany kômôriana iray antsoina hoe Rafic, 28 taona, monina eny amin'ny 67 Ha no tratran'ny mpiambina fonja saika hampiditra rongony an-tsokosoko ny talata lasa teo. Hanatitra sakafo ho an'ny zanak'anabaviny, izay migadra ao, izy tamin'io fotoana io. Nampiarahany tamin'ny sakafo nateriny ireo rongony ireo, izay milanja eo amin'ny 4 gramma eo. Nataony tao ambanin'ny sachet lafik'ilay sakafo ary nofonosiny tao anaty sigara. Ny agent pénitentiaire mpanao ny fisavana andavanandro no nahatsikaritra izany ka natolotra avy hatrany ny polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina. Efa misy ihany koa fanadihadiana misokatra amin'izao fotoana izao mikasika ity raharaha ity. Fantatra ihany koa nadritra ny famotorana fa tsy manana taratasy momba azy ity teratany kômôriana voasambotra ity fa irony antsoina hoe  clandestin  irony. Mbola heloka iray hafa koa io. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha amin'izao fotoana izao.
Fantatra fa nohamafisina ny fiambenana ny fonja rehetra eto Madagasikara, indrindra fa ny eny Antanimora sy ny eny Tsiafahy, taorian'ireny fitsoahana gadra nifanesy ireny. Raha ny eny Antanimora no lazaina dia nohamafisina ny tafo sy ny valin-drihana. Nasiana barbelet ihany koa ny tamboho ary nampiana miaramila, polisy ary zandary ny mpiandry fonja eny hanamafy ny fiambenana ety ivelany. Ankoatra izay dia nohamafisina ihany koa ny fisavana ny entana miditra sy mivoaka ny fonja ary izao nahitam-bokany izao. Tsy vao izao, araka ny voalazan'ny tomponandraikitra, no nahatratrarana olona mikasa hampiditra an-tsokosoko zava-mahadomelina ao amin'ny fonja fa efa matetitetika, ary tsy mitsahatra mikaroka fomba hafa foana izy ireo hanatanterahana izany.

Lire aussi - Kamiao nihemotra : Nahafaty olona roa - Gadra nitsoaka : Mbola karohina i Nary - Polisy nivarotra basy - Maroantsetra : Namono tena tamin'ny poizina ilay ramatoa noho ny gidragidra tamim-badiny 


6689midi-mg-007872-9982-11122008 Nahafaty olona roa
Kamiao nihemotra
Nahafaty olona roa
Ny 9 desambra 2008, tokony ho tamin'ny  02 ora tolakandro, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona  tao Soarano Manjakandriana. Camion Mercedes benz iray nitondra vato no nihemotra tampoka rehefa nihazo fiakarana. Taitra noho izany ny olona roa lahy tao anatiny ka nitsambikina mba hanavotra aina. Tsy hitan'ny chauffeur anefa ny nanaovany izany fihetsika izany ka voahitsaka izy roalahy ireo. Voa mafy tokoa ireo niharan-doza ka tsy tana ny ainy, na dia niezaka nanao izay ho afany ihany aza ny rehetra. Lehilahy 31 taona ny iray ary mbola mpianatra kosa ny faharoa. Efa noraisin'ny fianakaviana ny razana. Ary eo am-panaovana ny famotorana ny zandary avy ao amin'ny  Brigade Manjakandriana amin'izao fotoana izao. Notanana vonjimaika ilay mpamily sy ny fiara mandra-pahavitan'ny famotorana sy ny fakana am-bavany.



6689midi-mg-007873-9983-11122008 Mbola karohina i Nary
Gadra nitsoaka
Mbola karohina i Nary
Gadra nitsoaka ary mbola karohin'ny mpitandro filaminana hatramin'izao nandritra ny fahavakisan'ny fonjan'i Moramanga i Nary, na Randrianarison Félicien. Efa fanindroany izy izao no nitsoaka ny fonja ary tsy tokony ho afaka ny gadrany raha tsy amin'ny 2011, nefa izao izy nandositra izao. Koa iangaviana izay mahita azy hampandre haingana ny manampahefana. Marihina fa efa tratran'ny polisy sy ny mpiandry fonja i Telolahy Eugène, ilay gadra nitsoaka niaraka taminy.


6689midi-mg-007874-9984-11122008 Polisy nivarotra basy
Polisy nivarotra basy
 - Mitondra fanampim-panazavana mikasika ireo polisy roalahy nivarotra basy ny tomponandraikitra ao amin'ny polisim-pirenena. Manambara izy ireo fa ilay basy marika SKS ihany no namidin'ireo polisy fa tsy ny SKS sy ilay Kalachnikov teny amin'izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba tamin'ity raharaha ity.


6693midi-mg-007879-9989-11122008 Namono tena tamin'ny poizina ilay ramatoa noho ny gidragidra tamim-badiny
Maroantsetra
Namono tena tamin'ny poizina ilay ramatoa noho ny gidragidra tamim-badiny
Nandosiran'ilay vehivavy vadiny ilay rangahy raha nandeha namonjy ny fandevenana ny reniny maty tany Maroantsetra, ny volana jiolay lasa teo iny. Efa niteraka iray moa izy ireo, efatra taona ilay zaza. Gaga ary italanjona izy rehefa niverina hamonjy ilay tokantronony. Trano foana no nivantanany, ilay ramatoa izay voalazan'ny loharanom-baovao avy any an-toerana, fa efa lasa nanara-bady any amin'ny toeran-kafa. Tsy nahafoy ilay zanany ilay rainy, ka dia voatery nikaroka ny toerana izay nanoren'ilay ramatoa tokantrano vaovao. Tany amin'ny tanàna iray tany ambanivohitran'i Sambava moa no nahitana ity farany, tsy nandahatra resaka lava intsony ilay mpitady, fa ny zanany no nilainy ho azo, satria tsy mety aminy raha ny rafilahiny no hitaiza azy. Nanohitra ny fangatahany avy hatrany ramatoa, nilaza ihany koa izy fa tsy tiany raha ny rafivaviny no hitaiza ilay naterany. Nandeha teny ny fotoana sy ny andro, nisy ihany ny marimaritra iraisana teo amin'ny roa tonta, ka tapaka ny hevitra fa hifamerina indray. Tsy nipetraka tany Sambava intsony moa izy mivady ireto rehefa nifamerina fa lasa nifindra toerana tany Marovana, distrikan'i Maroantsetra, izay toerana fiavian'ilay lehilahy. Telo volana mahery moa no nipetrahan'izy ireo tany amin'ilay tanàna, ka ny alatsinainy lasa teo no fantatra fa nisy disadisa indray teo amin'izy ireo, ka nahatonga ny famonoan-tenan'ilay ramatoa tamin'ny fihinana poizina tsy fantatra. Ny mpitsabo no nahita, fa poizina no nohaniny ka nahafaty azy.




Tsy hay kosehina
Lasa ilay kintan'ny haisoratra Malagasy. Tsy nisy izay tsy niventso ny sangan'asany ny ankamaroan'ny Malagasy. Iza tokoa no tsy ahafantatra an'i Rado, raha tsy hireny afa-tsy ilay tononkalo manao hoe "vola fitompolo sisa teny antanany".
Fandalovana ny tany, ary ireo izay nahay nanararaotra nametraka ny soa sy ny tsara teto, dia mipetraka ho olomangan'ny firenena. Izay mifanohitra amin'izany kosa, dia aza ho gaga raha tsy misy mpanontany. Manana ny anjara toerany ny haisoratra eto amintsika, satria miainga amin'io no tena ahafantarana ny soa toavina maha-Malagasy. Hianarana fa tsy avela handalo fotsiny izay voalazan'ireo zoky ray aman-dreny. Isan'io ny tononkalo navelan'i Rado. Raha lasa izy, ny sorany kosa anefa mitoetra, ary tsy ho faty mandrakizay. Mby aiza amin'ireny kosa ireo tanora ankehitriny, izay tafiditra lalina eo amin'ny famoronana ny kanto Malagasy ? Tsy vitsy no mitrandraka ifotony, ary maro ihany koa ireo tia handrakandrana. Na eo amin'ny lafiny haisoratra io na ihany koa eo amin'ny tontolon'ny hira Malagasy. Izay hanaitra ny olona ao anatin'ny fotoana fohy no maha-maika ny hafa, ka raha vao dila ny volana dia efa lefy laza ilay nosoratana. Mila finihana tsy hay kosehana ny kolontsaina Malagasy, ka izay mahay mitrandraka no tafita. Tsy tafita ihany fa ho reharehan'ny firenena manontolo na izao tontolo izao mihitsy ny sangan'asa izay novokariny. Azo ampetraka amin'io i Rado. Miandry ny mpandimby isika, izay azo tarafina fa efa maro izy ireo amin'izao fotoana izao.




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa
Dia niamboho rehefa nahazo ny sakramenta fanomen'ny Eglizy ny zanany, ny alahady 14 septambra 2008.
Hoy,
Ny vadiny :
Ravoaja Minotiana Mamisoa teraka Razanamahefa
Ny zanany :
Ravoaja Miora Aurore
Ravoaja Zoly Razakason
Ravoaja Voniniaina Fara Stéphanie
Ravoaja Razakason Mamisoa Nirina Bruno
Ny Rafozany :
Razanakoto Jacqueline vady, navelan'Itompokolahy Dokotera, Randriamahefa Anatole
Ny Renibeny :
Madame Veuve Rajaonarisoa Rafenomanjato Rose de Lima
Ny Iray tampo aminy :
Terak'i Printsy Ravelonanosy André sy Itompokovavy Ravoaja Josiane
Ravoaja Ginette Chantal sy ny zanany
Ravorombato Norbert sy Suzette sy ny zanany
Ravoaja Franck sy Saraha sy ny zanany
Ravoaja Jean-Jacques mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ravoaja Alain Georges mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ravoaja Lucien mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Razanakolona Bera mivady
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Professeur Razanamahefa Bakonirina Voninorosoa
Ratsimbazafy Guy sy Rivo Harilala sy ny zanany
Randriamahefa Ndriantsolo Andriambao sy Mino sy ny zanany
Razanamahefa Hanitriniaina Marotia
Docteur Andriantsalama Andrianonibe sy Lalanirina sy ny zanany
Rakotoniaina Armand mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Havany :
Terak'Itompokolahy Ravoaja Victor sy Itompokovavy Razafindrafara
Terak'ltompokolahy Dokotera Rafenomanjato Rajaonarisoa
Terak'ltompokolahy Dokotera Ranaivo Rafenomanjato
Zanak'ampielezan'i Fiaferana
Terak'ltompokolahy Randriamahefa sy Itompokovavy Razanamamy
Terak'ltompokolahy Razanakoto sy Itompokovavy Ravoninarivo
Taranak'Andriantsolo Andramasina
Taranak'Andriantsolo Andriamanarivo Antsongombe Betato
Ny teraka Andriamamboninolona
Ny Entreprise ECA
Ny Fianakaviambean'ny Tsipikanetibe manerana ny Nosy
Ny Rotary Club Ivato
Ny CMA (Clinique Maternité Anosibe)
Ny Fokontany Ambohinambo Talatamaty
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Fokontany Fiaferana
Ny Kaominina Fiaferana
Ny EKAR Antanimena
Ny EKAR Masina Misely Fiaferana
Ny nofony dia hiala ao an-tranony lot PR lot 98 Chemin des Epines de Jésus-Christ Ambohinambo-Talatamaty ny zoma 19 septambra 2008 amin'ny 10 ora antoandro , entina ao amin'ny EKAR Masina Misely Fiaferana , alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Kilonjy-Fiaferana.
« ... aza ilaozanao aho, ry Andriamanitra ny famonjena ahy ».
(Salamo XXVII.9)




Ny Filan-kevim-pitantanana sy
Ny Tale Jeneraly ary
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny AIR MADAGASCAR
Dia mampandre amin'alahelo lehibe ny fahalasanana tamin'ny : ALATSINAINY 15 SEPTAMBRA2008.
Ny mpiara-miasa aminy




« Tsy ho takatry ny saiko
Izay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko
Aoka aho hatoky Anao ».
Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo ny fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony :
ny 16 Septambra 2008 rehefa nivahiny 85 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny Vadiny :
Andriamanantena Ravololona Edwige
Ny Zanany :
Razafindrafara Ony sy Rakotomalala Victor Tony
Andriamanantena Haingo sy Randriambololona Jacquis Simon
Andriamanantena Andry sy Voahangy Ramiejamanana
Andriamanantena Rija sy Volahanta Ravonjiarivelo
Ny Zafiny :
Rasamimanantsoa Hasinjaka sy Minomalala
Rasamimanantsoa Riana Toavina
Bnuno de Foucault sy Maminiaina Ony
Naturel Henri Patrick sy Miary
Rakotoarivony Tiana sy Lova Harivola
Ralaimahenina Lala Tiana sy Andotiana
Ranjevarivony Herizo sy Miora Rary
Randriambololona Toky
Randriambololona Mino Sandratra
Rakotozandriny Riana sy Oly
Andriamanantena Maradona Vahitsitohaina
Andriamanantena Angola Haba
Andriamanantena Anoka Tenompitia
Andriamanantena To Sitraka
Ny Zana-jafiny :
Mijoro, Mirana, Mathieu, Thibaut, Audrey, Coraline, Antsa, Rohy, Kalina, Kiady, lloniaina
Ny Iray tampo aminy :
Andriamanantena Flore sy ny zanaka aman-jafiny
Rakoto Randriamifidimanana mianadahy avy sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Ny Taranak'ltompokolahy Rakotovazaha sy Itompokovavy Razafindrabodo
Ny Taranak'ltompokolahy Randrianasolo Désiré sy Itompokovavy RaveloarisojaJeanne
Ramatoa Ravalison Eléonore sy ny zanaka aman-jafiny
Andriamatoa Raminosoa Jean René sy ny zanaka aman-jafiny
Ramatoa Rasoamanandray Aimée sy zanaka aman-jafiny
Ramatoa Ravalison Aline sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Taranak'ltompokovavy Ralantoarisoa Beby
Andriamatoa Randrianasolo Thomas mivady sy zanaka aman-jafiny
Ramatoa Razafindrazaka Bakoly sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Terak'Amboanana sy ny Terak'l Betsizaraina, Ny fianakaviana manontolo,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Tranovato Faravohitra, Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Amboanana, Ny Fokontany : Ambatomainty, Mandrosoa-lvato.
Ny nofony dia hoentina miala ao amin'ny « Tanàna Tolotra » , Mandrosoa-lvato ny Alakamisy 18 septambre 2008, amin'ny 2 ora ary hoentina eny amin'ny Gymnase Ankorondrano , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana Tranovato Faravohitra ny zoma 19 Septambra 2008 amin'ny 2 ora folakandro , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasam-pianakaviana « MAKPELA » ao Anjanahary.
Raha matoky Anao, ny soa manjary fatratra
Ny tsara koa vao mainka tena tonga lafatra
Raha matoky Anao, ny ratra mety sitrana
Ny ali-maizim-pito manjary feno kintana




Nangingina...
Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. « Ho raikitra ity ! » hoy ny sasany « nanaraom-pako » tamin'iny raharahan'ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an'i Rado, nahazo fandresena tamin'ny alalan'ny asa soratra.
Ny ben'ny tananan'Antananarivo nantenaina ho japiana ity toa nifanaraka amin'ny mpitondra fanjakana indray ka tapaka teo koa iny lalana saika ho diavina iny. Nilamina ny raharaha. Faly kosa ireo mpisolelaka fa niori-paka ny seza efa nitsingilahila. Tokony hisy vokatra tsara amin'izay kosa eo amin'ny lafiny fampandrosoana. Tsy ny fako ihany akory no mitaky asa isan'andro fa na ity lafiny fandriampahalemana ity aza dia mila fiaraha-miasa, indrindra ny eto an-drenivohitra. Saika ianteherana amin'ny andrimasom-pokonolona mantsy ny fandriampahalemana kanefa toa tsy mahazo fiofanana akory izy ireny.




Jiromanga bibiolona
Nalemy ilay vehivavy voaolana
Na tsaho na tsia, ny lazan'ny fisian'ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin'izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra.
Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran'ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny olona iray avy any ambanivohitry Mananjary iny, nitantara ny akon'ity zavatra mampisavoritaka saim-bahoaka ity.
Rangahy iray mpividy omby any Tsiroanomandidy no voalaza fa nitondra io biby io niditra ny faritra Vatovavy Fitovinany. Voalaza aloha fa biby toy ny soavaly ny tapany ambany ary olona ny tapany ambony toy ireny « bobel » amin'ny tantara an-tsary ireny. Nifanaraka tamin'ity tompon'omby izy fa hiantoka ny fiarovana ny ombiny, ka ny firaisana ara-nofo amin'ny vadin'ity tompon'omby no tambiny. Nanaiky rangahy, saingy nony tonga tany Mananjary dia tsy nanaiky indray izy. Tezitra « hono » ity bibiolona ka nataony ankeriny ramatoa vadin-drangahy. Taorian'io no nanomboka hitan'ny olona ilay biby. Hatramin'izao dia malemy ao am-pandriana ilay ramatoa natao an-keriny ary nivoaka tsiranoka mamofona ratsy ny fivaviany. Devoly latsaka an-tany ?
Devoly latsaka an-tany
Manatona ny renivohitry ny distrikan'i Mananjary ny lazan'ilay biby satria efa nisy vehivavy notafihany tao amin'ny tanana atao hoe Fangato, hiditra ao Mananjary. Nandondona varavarana ity biby ary mahafantatra ny anaran'ny olona ao an-trano. Nisy baiboly anefa teny an-tanan'ity vehivavy ka nandroaka ity biby tamin'ny anaran'i Jesoa ka lasa nandositra.
Sahiran-tsaina ny mpitandro filaminana satria mifangaro amin'ny firongatry ny asan-jiolahy ity feo mandeha momba ny bibiolona ity. Hany herin'ny zandary sy ny polisy dia ny manoro hevitra ny olona mba ho mailo. Toy ny nataon'ity bibiolona ity no fanaon'ireo jiolahy. Mandondona izy ary manonona ny anaran'ny olona ao an-trano.
Na teo aza ny fisian'ny olona sahy milaza fa tena misy io bibiolona io dia maro no tsy mino, kanefa matahotra ihany. Mazava anefa fa asan-devoly io ary mitombina ny fandresen'ilay vehivavy be finoana ka nandroaka azy tamin'ny anaran'i Jesoa.




Sitrak'Andriamanitra no niantso ny Mpanompony :
Tany Mananjary ny talata 17 septambra 2008 rehefa nivahiny 91 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny zanany :
Maître Louis Sagot et Janine vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Maître Anne Marie Sagot
Docteur Marie France Sagot
Madame Yolande Sagot
Monsieur Henri Koller et Sylvie vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Ny zafiny :
Monsieur Frédéric Saucourt et Ghislaine vadiny Catherine Sagot
Ny zafiafiny :
Charline Saucourt
Ny Iray Tampo aminy :
Ny fianakaviana Clément (ORSENNES France)
Ny terak'i Tompokovavy Marianne Fatoma
Ny Fianakaviana manontolo any Fénérive Est
Ny Iray Tampo amin'ny vadiny :
Madame veuve Eline Gouloumès sy ny terak'i Tompokolahy Marc Rosier.
Madame Veuve Raharison Jean Aimée sy ny zanaka aman-jafiny
Monsieur Ratsimbason Rabemanoro, sy ny zanaka aman-jafiny
Ny terak'i Tompokovavy Louise Razafimilandana
L'Ampanjaka du Tranobe Ramelaza Andonaka Ankadirano Mananjary : Mety Clovis
Ary ny tranobe iray manontolo
Ny Fianakaviana rehetra sy ny tapaka sy Namana tsy mahafoy
Ny fokontany Masindrano Mananjary
Ny fokontany Andohan'i Mandroseza Antananarivo
Ny katedraly Md Augustin Mananjary
Ny EKAR Md Jean Baptiste Faravohitra Antananarivo
Ny EKAR Maria Mpanjakan'larivo Ankadivato Antananarivo
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Villa Dack-Addis -Masindrano Mananjary ny sabotsy 20 septambra amin'ny 2 ora tolankandro ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny katedraly Md Augustin Mananjary . Ny fandevenana dia hatao ao amin'ny fasam-pianakaviana ( cimetière Mananjary )
« Misaora an'laveh ry Fanahiko,
Ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy ! »
(Salamo 103-2)
7, Route de Mandroseza Antananarivo 101
Villa Dack-Addis - Masindrano Mananjary




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa :
Dia niamboho rehefa nahazo ny sakramenta fanomen'ny Eglizy ny zanany, ny alahady 14 septambra 2008.
Hoy,
Ny vadiny :
Ravoaja Minotiana Mamisoa teraka Razanamahefa
Ny zanany :
Ravoaja Miora Aurore
Ravoaja Zoly Razakason
Ravoaja Voniniaina Fara Stéphanie
Ravoaja Razakason Mamisoa Nirina Bruno
Ny Rafozany :
Razanakoto Jacqueline vady, navelan'Itompokolahy Dokotera, Randriamahefa Anatole
Ny Renibeny :
Madame Veuve Rajaonarisoa Rafenomanjato Rose de Lima
Ny Iray tampo aminy :
Terak'i Printsy Ravelonanosy André sy Itompokovavy Ravoaja Josiane
Ravoaja Ginette Chantal sy ny zanany
Ravorombato Norbert sy Suzette sy ny zanany
Ravoaja Franck sy Saraha sy ny zanany
Ravoaja Jean-Jacques mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ravoaja Alain Georges mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ravoaja Lucien mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Razanakolona Bera mivady
Ny Iray tampo amin'ny vadiny :
Professeur Razanamahefa Bakonirina Voninorosoa
Ratsimbazafy Guy sy Rivo Harilala sy ny zanany
Randriamahefa Ndriantsolo Andriambao sy Mino sy ny zanany
Razanamahefa Hanitriniaina Marotia
Docteur Andriantsalama Andrianonibe sy Lalanirina sy ny zanany
Rakotoniaina Armand mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Ny Havany :
Terak'Itompokolahy Ravoaja Victor sy Itompokovavy Razafindrafara
Terak'ltompokolahy Dokotera Rafenomanjato Rajaonarisoa
Terak'ltompokolahy Dokotera Ranaivo Rafenomanjato
Zanak'ampielezan'i Fiaferana
Terak'ltompokolahy Randriamahefa sy Itompokovavy Razanamamy
Terak'ltompokolahy Razanakoto sy Itompokovavy Ravoninarivo
Taranak'Andriantsolo Andramasina
Taranak'Andriantsolo Andriamanarivo Antsongombe Betato
Ny teraka Andriamamboninolona
Ny Entreprise ECA
Ny Fianakaviambean'ny Tsipikanetibe manerana ny Nosy
Ny Rotary Club Ivato
Ny CMA (Clinique Maternité Anosibe)
Ny Fokontany Ambohinambo Talatamaty
Ny Fokontany Amboditsiry
Ny Fokontany Fiaferana
Ny Kaominina Fiaferana
Ny EKAR Antanimena
Ny EKAR Masina Misely Fiaferana
Ny nofony dia hiala ao an-tranony lot PR lot 98 Chemin des Epines de Jésus-Christ Ambohinambo-Talatamaty ny zoma 19 septambra 2008 amin'ny 10 ora antoandro , entina ao amin'ny EKAR Masina Misely Fiaferana , alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Kilonjy-Fiaferana.
« ... aza ilaozanao aho, ry Andriamanitra ny famonjena ahy ».
(Salamo XXVII.9)




Ny vadiny :
ANDRIAMIARANA Ramavoarivelo Lalaoarisoa
Ny zanany :
JAOALISON Lalaoarivelo Naly sy JAOALISON Lalaoarivelo Mialy
Dia mankasitraka sy mankatelina ireo rehetra nidodododo nampitraka sy nanotrona azy ireo tamin'ny fahalasana'ny malalany :
Singanina manokana ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra any Faratsiho, indrindra fa ny SSD Faratsiho tamin'ny anjara biriky nentiny nanomboka tany Faratsiho hatrany amin'ny toeram-pandevenana Alasora Avaradrano.
Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
Miala tsiny indrindra tompoko ho anareo tsy tratra antso nohon'ny hafenoan-drano be loatra.




Rado : Veloma farany
Omaly hariva no nentina tetsy amin'ny kianja mitafo Ankorondrano ny nofo mangatsiak'i Rado. Maro ireo olona tonga nankahery sy nanotrona ny fianakaviana ankoatr'ireo andrim-panjakana sy olo-manan-kaja maro samy hafa.
Araho ny sary.




Voaroaka tsy fidiny
Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr'ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin'ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben'ny tanana fa ireo mpiasan'ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan'ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin'ny 15 andro farany dia tanora miisa 6000 no indray tsy an'asa, mbola hiampy 40 000 eo ho eo ny mpiasan'ny afakaba ho tsy an'asa, afaka roa volana monja, satria mbola hikatona koa ny orinasa afakaba sasany. Fara asa izany mivarotra amoron-dalana izany ho an'ny malagasy sasany ka, midika fahaverezana ny fikatonan'ny orin'asa niasany. Amin'izao fotoana izao aloha dia ho voaisan'ny kaominina izay mirotsaka amin'ity tsena andalambe ity. Tsy ho hay ny filaminana amin'ity satria maro amin'ireny mpivarotra amoron-dalana ireny koa no mpiasam-panjakana amperinasa.
Midika izany fa tsy mandeha tsara ny lafiny ara-barotra ka mampandositra ireo mpampiasa vola, na mety hisy hanao ampihimamba koa.




Fiadidian'ny praiminisitra
Fihaonana an-tampony eto Madagasikara
Ho avy tsy ho ela eto Madagsikara ny iraka libianina eo amin'ny sehatra ara-toekarena hijery sy hifampidinika ny amin'ny mety ho fifanarahana vaovao eo amin'ny firenena roa tonta ; fifanarahana izay efa niantomboka tamin'ny 5 aogositra 1975. Nandritra ny fihaonan'ny praiminisitra Rabemananjara Charles sy ny mavoihon'i Lybie eto Madagasikara, SEM Yones B. Ali, dia aorian'io iraka io no hahalalana ny anjara biriky hatolotr'i Lybie ho fanomanana ilay fihaonana an-tampon'ny Vondrona afrikanina, tanterahana eto amintsika amin'ny herintaona.
Ny lafiny teknika mikasika ny filatsahan'i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny « francophonie » andiany faha-13 kosa, amin'ny taona 2010, no nifampidihan'ny praiminisitra sy ny delegasiona OIF notarihan'i mpanolotsaina Ousmane Paye. Nijery ny fahafahan'i Madagasikara mandray io fihaonana io no anton'ny dinika, satria ny fihaonana an-tampony hatao any Québec, ny volana oktobra 2008, no hahafantarana ny fanapahankevitra farany mikasika izany.




Sitrak'Andriamanitra no niantso ny Mpanompony :
Tany Mananjary ny talata 17 septambra 2008 rehefa nivahiny 91 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny zanany :
Maître Louis Sagot et Janine vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Maître Anne Marie Sagot
Docteur Marie France Sagot
Madame Yolande Sagot
Monsieur Henri Koller et Sylvie vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Ny zafiny :
Monsieur Frédéric Saucourt et Ghislaine vadiny Catherine Sagot
Ny zafiafiny :
Charline Saucourt
Ny Iray Tampo aminy :
Ny fianakaviana Clément (ORSENNES France)
Ny terak'i Tompokovavy Marianne Fatoma
Ny Fianakaviana manontolo any Fénérive Est
Ny Iray Tampo amin'ny vadiny :
Madame veuve Eline Gouloumès sy ny terak'i Tompokolahy Marc Rosier.
Madame Veuve Raharison Jean Aimée sy ny zanaka aman-jafiny
Monsieur Ratsimbason Rabemanoro, sy ny zanaka aman-jafiny
Ny terak'i Tompokovavy Louise Razafimilandana
L'Ampanjaka du Tranobe Ramelaza Andonaka Ankadirano Mananjary : Mety Clovis
Ary ny tranobe iray manontolo
Ny Fianakaviana rehetra sy ny tapaka sy Namana tsy mahafoy
Ny fokontany Masindrano Mananjary
Ny fokontany Andohan'i Mandroseza Antananarivo
Ny katedraly Md Augustin Mananjary
Ny EKAR Md Jean Baptiste Faravohitra Antananarivo
Ny EKAR Maria Mpanjakan'larivo Ankadivato Antananarivo
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Villa Dack-Addis -Masindrano Mananjary ny sabotsy 20 septambra amin'ny 2 ora tolankandro ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny katedraly Md Augustin Mananjary . Ny fandevenana dia hatao ao amin'ny fasam-pianakaviana ( cimetière Mananjary )
« Misaora an'laveh ry Fanahiko,
Ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy ! »
(Salamo 103-2)
7, Route de Mandroseza Antananarivo 101
Villa Dack-Addis - Masindrano Mananjary




Ny vadiny :
ANDRIAMIARANA Ramavoarivelo Lalaoarisoa
Ny zanany :
JAOALISON Lalaoarivelo Naly sy JAOALISON Lalaoarivelo Mialy
Dia mankasitraka sy mankatelina ireo rehetra nidodododo nampitraka sy nanotrona azy ireo tamin'ny fahalasana'ny malalany :
Singanina manokana ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra any Faratsiho, indrindra fa ny SSD Faratsiho tamin'ny anjara biriky nentiny nanomboka tany Faratsiho hatrany amin'ny toeram-pandevenana Alasora Avaradrano.
Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
Miala tsiny indrindra tompoko ho anareo tsy tratra antso nohon'ny hafenoan-drano be loatra.




René Philippe
Sefo fokontany, mpitarika olona hatrany am-piangonana
Miainga ifotony ny fampandrosoana eto Madagasikara. Voalohany amin'izany ny sefo fokontany ka rariny raha mahafantatra ny momba azy ireny ny sarambabem-bahoaka. Tsy zoviana amin'ny mponina ao anatin'ny firaisana faha 4 ity vahiny ampahafantarina anao anio ity.
Zanaky ny boriborin-tany faha 4 i René Philippe Rakotonanahary, 51 taona, teraka tao Befelatanana, sefo fokontany Anosibe andrefana II, amin'izao fotoana izao. Ankoatra ny maha sefo fokontany azy, 3 taona lasa izay, dia sehatra maro no ahafantaran'ny mponin'Antananarivo azy ka asongadina anio ny ampahany amin'izany. Nahatonga azy teo amin'io toerana sefo fokontany io ny maha filohan'ny vaomieran'ny fandriampahalemana azy teo amin'ny fokontany, 10 taona lasa izay. Filohan'ny antoko TIM teny Anosibe andrefana izy talohan'ny naha sefo fokontany azy. Na anatin'ny antoko aza izy dia tsy mifantoka afa-tsy amin'ny fampandrosoana.
Mampiofana amin'ny mariazy
Nahafeno ny fepetra amin'ny fahafahana mampiofana mpivady hatao mariazy i René. Voahosotra hiandraikitra izany ao amin'ny EKAR Anosibe, anatin'ny FIFAKRI (Fiomanana amin'ny Fanambadiana Kristiana) diosezin'i Mahamasina ny tenany, efa telo taona izay. Henjana ny fepetra takiana amin'io asa ataony io toy ny fitondran-tena tsara, eo anatrehan'ny fiaraha-monina sy ny fiangonana. Manambady vita mariazy tao am-piangonana, mbola tsy nisaram-panambadiana.Vita batemy, fampihavanana, Eokaristia, Fankaherezana. Tokantrano an-jatony no efa nahazo fiofanana tamin'i René.
Marihana fa vita mariazy tamin'ny faha 22 jona 1985 i René Rakotonanahary sy Ravaonoelisoa Joséphine.
Mpanao baolina kitra
Mpilalao tao amin'ny BTM Andapa, tao amin'ny « Savonnerie tropicale » ary tao amin'ny SOLIMA ny lehilahy tamin'ny taona 1980 tany ho any. Mbola manao baolina amin'ny sokajy « vétéran » izy amin'izao fotoana izao, sady miara-milalao amin'ny tanoran'ny fiangonana miaraka amin'ny zanany roalahy Tojonandrianina Serge, 23 taona sy i Tokinandrianina Ismaël 19 taona
Mpaka sary matihanina
Nandritra ny diabe tamin'ny taona 1991 notarihan'i Profesora Zafy Albert no nanombohany naka sary. Fitiavana sary no nanosika azy ka nahasahiany nividy fakan-tsary ho an'ny matihanina tamin'izany fotoana izany. Taty aoriana dia anisan'ny nahafantaran'ny mpaka sary eto an-drenivohitra azy ny fitetezany ny fiangonana na protestanta io na katolika, eny hatramin'ny fiangonana hafa aza.
Ny fampandrosoana ny tanàna sy ny fiaraha-monina no efa nimasoako hatramin'izay ary tsy hajanoko na tsy filohan'ny fokontany intsony aza aho, hoy i René namarana ny teniny tamin'ny fanadihadiana natao taminy. Mafimafy loha ny mponina entiny saingy nentiny am-pitiavana ka naha ova zavatra.
Nangonin'i HERY A .




Ny Tale sy ny mpiara miasa aminy ao amin'ny Caisse d'Epargne de Madagascar dia mampandre amin'alahelo lehibe ny fahalasanana tamin'ny ALAKAMISY 18 Septambra ny mpiara miasa aminy :
rehefa nivahiny 52 taona teto an-tany.
Ny nofony dia hiala ao amin'ny Lot II K 3 Andravoahangy Ambony ny Alatsinainy 22 Septambra 2008 amin'ny 6 ora , ary hoentina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EEM Avaratranjoma alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany any Bemarana Ramainandro.
« Jehovah ny mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho ».
(SALAMO 23:1)




« Misaora an'i Jehovah, ry Fanahiko ;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina ».
(Sal 103:1)
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 18 Septambra 2008 teo amin'ny faha 85 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAZOARIMANANA Jeanne
Ny zanany :
RAHARIMANANA Ampère sy RAMANANTSOA Lydie
Ny zafikeliny :
Lalaina sy Michou, Franck sy Liliane, Lucia
Ny zafiafiny :
Lorena
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny havany
Ny fianakavina manontolo
Ny Fiangonana FJKM Mahalavolona,
Fiangonana FJKM Anganomasina,
Fiangonana Advantista Volotara Andoharanofotsy
Ny fokontany Andranovelona Morarano
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot III B 86 Andranovelona Morarano Andoharanofotsy ny Alahady 21 Septambra 2008 amin'ny 2 ora ary hoentina hanomezana voninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana FJKM Mahalavolona Andoharanofotsy alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasana ao Mahalavolona.




Manalasala toa vozon'akoho
Amin'izao fotoana izao dia manova ny rafitry ny fampianarana ny mpitondra fanjakana. Mampiahiahy ny manampahaizana ny fomba nitondrana azy io. Ny sekoly miaraka amin'ny fiangonana Katôlika moa dia mazava fa tsy hanaraka ambokony satria tsy niadiana hevitra taminy ny fomba fanatanterahana sy votoatin'izany fanamboarana izany.
Malalaka ianareo, hoy ny filoha Ravalomanana, tsy terena.
Nanazava foana moa ny mpitondra fanjakana fa toa vitsy ihany ireo manampahaizana no resy lahatra. Ireo atao hoe sangany sy tsongoin'olom-bolo amin'ny sehatry ny fampianarana moa dia mangina. Ny azy ireo ny zanany dia efa fantany ny ho aviny, efa voasoritra. Na any amin'ny sekoly katôlika na any an-dafin'ny ranomasina any amin'ny sekoly azony antoka sy fanta-daza no mianatra.
Ny zanaky ny maro an'isa moa dia tsy afa-manoatra, fa dia mangina fotsiny, miandry izay higadonany. Hatramin'izao tokoa anie dia tsy mazava tanteraka ny votoatin'ity fanovana rafi-pampianarana ity e ! Efa iasan'ny fanovana ve ny famoahana lisitra faharoa amin'ny valin'ny bakalôrea teto Antananarivo teo ?
Ny an'ny filoha frantsay Sarkozy dia mazava raha nanasa ireo sangany amin'ny fampiarana izy tamin'ny voaloahandohan'ny volana jiona teo. "Mila fanamboarana ny rafi-pampianarana", hoy izy, "satria ny 80%-ny zanaky ny mpampianatra sy mpanankarena ary olo-panjakana ambony dia mahavita ny fampianarana ambony. Ny zanaky ny mpikarama tonga any amin'ny oniversite dia zara raha 40%. Etsy akaikin'izany dia misy 15%-ny mpianatra zara raha mahavita ny fampiarana ambaratonga voalohany. Ireo ny zava-misy Tsy mahafa-po fa mandringa sy manavaka ny rafi-pampianarana. Mila rafitra manana kalitao aho hoy izy.
Angamba mazava izay tanjona izay fa ny antsika toa mampieritreritra. Asa inona no nahatonga iny fiverenana tamin'ny valin'ny bakalôrea iny fa dia mahasadaikatra ! Toa tsy fantatra iza no tomponandraikitra marina ary tsy nisy fanasaziana fa toa mandeha ho azy fa toa efa voahitsy ny lesoka.




Afa-tahotra
Nisento tokana ny mponina raha vao nandre, fa tsy hisy ny fandravana trano, manoloana ny fanaovana ilay lalana migodana miainga eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, mipaka hatraty Ankadimbahoaka. Voalaza aloha hatreto, fa ireo takela-by misy dokam-barotra manamorona ny lalana no tsy maintsy esorina amin'ny toerany.
Afa-tahotra aloha hatreto ny maro manoloana ny mety ho fandravana ny trano fonenany. Hanomboka tsy ho ela ny asa, ary hiova hanaraka izany koa ny tontolo manodidina. Lalana migodana, izay sambany vao hisy eto no apetraka. Raha ny kajikajy nataon'ireo tompon'andraikitra ara-teknika, dia io mandry ivohon'ny vato io ny vahoaka, saingy eny am-panaovana ny asa no tsy hay na hisy ampaham-pananan'olona ho voakitika ihany na tsia. Raha ny refy amin'ny andaniny sy ny ankilany, dia aty an-drenivohitra vao hisy trano ho voakitika kely. Efa misy ny fifampiraharahana amin'izy ireny, ataony fanjakana amin'izao fotoana. Antenaina, ny hahatafita ilay teny tany aloha milaza hoe, « tsy hikitika ny efa manana, fa hampanana ny mbola tsy manana ». Dia minoa fotsiny ihany isika rehetra fa ny asa ho vita, ny trano tsy ho rava.




Famotsiam-bola
Tsy misambotra olona ny Samifin
Tsy biby fampitahorana ny sampan'asa SAMIFIN misahana ny ady amin'ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin'ny asan'ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin'ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin'ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian'ny vola tsy ara-dalàna amin'ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin'ny Bianco kosa ny ady amin'ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. Nahita vokatra sahady ity sampan'asa ity na dia vao am-bolana aza no nanao ny asany. Antontan-taratasy miisa 7 no efa anaovana fanadihadiana, ary ny roa amin'ireo dia efa eny anivon'ny fitsarana, ny fanadihadiana ihany rahateo no anjaran'ny Samifin sy ny Bianco.
Mazava ny ady amin'ny kolikoly fa ity famotsiam-bola ity no tsy fantatry ny maro. Malaza amin'ny sehatra masionaly anefa izy io ka ambara hoe « fanadiovana vola maloto ». Vola tsy fantam-pihaviana izany ity ambara ity. Matetika dia ny mpanao hetsika politika amin'ny firenena iray no voatonona ho mampiasa vola maloto. Mitombina io ! Ny firenena malagasy mahantra, kanefa ireo mpanao politika sasany tamin'ny fotoan'andro toa mahita vola naparitaka tamin'ny fifidianana sy nanakaramana mpikarama an'ady nanakorontanana firenena. Tsiambaratelo ny asan'ireo sampan'asa resahana eto ka anjaran'izy ireo no mampahafantatra amin'ny vahoaka ny antsipirian'ny vokatra hitany. Eo amin'ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena sy ny fanakalozana vola vahiny no nambaran'ny tale jeneralin'ny Samifin fa tena ahitana ny fampisana ny vola maloto.
Tsy manana alalana hisambotra olona sy hanasazy ny Samifin fa miandraikitra ny fanadihadiana ihany ary manolotra ny raharaha eo amin'ny fampanoavana raha ilaina izany.




Fanampiana ataon'i TIM
Misy mivarotra ireo fitaovana
Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety.
Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana zavatra azo amidy izahay, ka ity no hany mba afaka avadika vola haingana. Nangasihasy teo ilay zaza nanantena ny hahazo fitaovana hianarany, satria namidin-dreniny ilay fanampiana kely mba azo. Tetsy Ambodivona sy Besarety moa no nanohizan'ny antoko TIM ity fizarana fitaovam-pianarana ity ny asabotsy teo.
Etsy andaniny dia hita amidy eny amoron-dalana eny ihany koa ireny kit scolaire natolotry ny fanjakana ireny. Maro amin'izy ireny no mbola tsara, ary maro koa ny fianakaviana mahantra azo ivarotana azy ireny amin'ny vidiny mirary.
Tsy misy valaka amin'izany koa ny vary zarain'ny Tim. Ho fitsinjovana ny madinika no nanaovana ny vidiny ambany dia ambany, saingy angonin'ny mpanam-bola dia amidiny lafo rehefa tonga ny fahavaratra, ilay vary rahateo toa mba tsaratsara ihany sady mitombo hoy ny mpanjifa azy.




Tsy nidongy seza
Tsy miandry raorao fa mahay manaja tena ny filoha Afrikana Tatsimo Thabo Mbeki, vokatry ny fitakian'ny antoko ANC izay misy azy. Raharaha niainga tamin'ny fitoriana an'i Jacob Zuma ho tafiditra tamin'ny resaka kolikoly nefa noafahan'ny fitsarana ity farany. Na dia mbola manana sivy volana aza ity filoha Afrikana tatsimo ity hitondrany ny firenena, dia nahay nanaja tena. Hametraka vonjimaika izay hitondra ity firenena ity ireo andrim-panjakana mpanao lalàna any amin'io firenena io alohan'ny hanaovan'ny vahoaka fifidianana faobe.
Faka tahaka ny toy izao. Tsy midongy seza, fa mahay mibanjina ny tombontsoam-pirenena tsy misy raorao. Firenena iza aty Afrika no sahy manao toa izao ? Na dia efa mandriaka aza ny ra ao amin'ilay firenena iray, dia tsy misy filoha sahy manaja tena miala am-boninahitra. Ny hitondra mandra-maty aza no tadiavin'ny hafa. Tsy fampitahana amin'ny eto an-toerana io, fa fitarafana ny zava-misy eran-tany. Ny antoko ANC izay misy azy, kanefa nanala azy tamin'ny toerany, dia ahiana hivaky roa taorian'iny fametraham-pialana ny alahady lasa teo iny. Omaly ihany no fantatra fa nametrahana ny filoha vonjy maika any Afrika Atsimo, ary hita fa tony ny vahoaka any amin'io firenena io. Mby aiza amin'izany isika ?




Ben'ny tanàna Talatamaty
Lalaovin'ny mpanao politika i Andry TGV
Misy mitady hanapotika i Andry Rajoelina sy ny fanjakana. Mila mitandrina sao hiverina ny tamin'ny taona 2002. Io no fanazavana nentin'ny ben'ny tanana ao amin'ny kaominina Talatamaty tao amin'ny Aceem radio ny alahady lasa teo.
Tsapa fa miditra lalina amin'ny fanosehana an'i Andry Rajoelina any amin'ny tsy izy ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika raha nitatra be toy izao ny raharaha momba ity tananan'Antananarivo ity. Tokony avela hiasa malalaka ny ben'ny tanana, ary izay vonona ny hampandroso dia mila tohanana, satria tsy misy mpitondra natao hijanona mandram-pahafaty eo amin'ny toerana.
Momba ny mpanohitra kosa indray, dia nilaza Rado Razafindratsimba ben'ny tanana ao Talatamaty, fa tokony hisy ny fifanajana eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitondra. Ilaina ny mihaino ny feon'izy ireo, satria tsy izay mpanohitra dia ho ratsy avokoa. Tokony hisy sehatra iray hikarakara ny fifampidinihana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Raha toa kosa anefa mikiry ny hanongam-panjakana hatrany ny mpanohitra, dia rariny raha manakatona varavarana amin'izy ireo ny fanjakana. Ny fifandimbiasam-pahefana, dia tokony ho ao anaty filaminana, satria zava-doza ho an'ny firenena ny korontana lava.
Notsipihiny fa raha niongana ny amiraly Ratsiraka tamin'ireny taona 2002 ireny, dia vokatry ny fampitana vaovao diso tany amin'ity filoha teo aloha ity. Mety hitranga izany raha tsy mitandrina ny filoha Ravalomanana, satria tsapa fa misy io fampitana vaovao diso amin'izao fitondrana izao.
Nidera ny ezaka ataon'ny ben'ny tanana eto an-drenivohitra ity ben'ny tanana ao Talatamaty ity, ary nambarany fa iza no mahita raha io no mety handimby ny filoha Ravalomanana any aorioana any. Tsara ny milaza, fa voafidy tamin'ny anarain'ny TIM ny dokotera Rado Razafindratsira ity, ary mankasitraka ny ezaka ataon'ny fitondrana ankehitriny. Tsapa hoy izy fa miarin-doha ny toe-karena, ary izay no maha-mailo azy ny hanalavirana ny korontana eto.




Entan-jaraina mora zaka
Any New York indray ny filoha Ravalomanana. Alina izy no nandray fitenenana teo anoloan'ny fivoriana natrehany. Araka ny efa voalaza teto amin'ity gazety ity, dia in-13 no lasa mivoaka any ivelany ny filoha malagasy tao anatin'ny roa volana monja.
Raha atao indray mitopy maso ny zava-misy, dia toa tsy misy olona mahavita ireo asa afa-tsy ny filoha eto. Na hihaona amin'ireo mpandraharaha any ivelany aza, dia ny tenany no manao izany. Fa angaha tsy vitan'ny teknisiana malagasy na ny minisitra no mifampiraharaha amin'izy ireo ? Matoa napetraka amin'ny toerany ny minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy, dia manana ny fahaiza manaony izy. Raha mitazana ireo filoham-panjakana maro samy hafa isika, dia manana ny olona akaiky azy avy izy ireo, amin'ny sehatra tahaka izao. Ny entan-jaraina mora zaka, ary avelao hanao ny asa tandrify azy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta fa adidy napetraka amin'izy ireo izany. Sa ny filoha irery no tena mahatafita ny baolina ho an'ity firenena ity ?




Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery
Jiolahy iray no maty voatifitra
Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin'ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin'ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity.
Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin'ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan'ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo.
Efa niparitaka ny laza ratsin'ireto jiolahy ireto eny amin'iny faritra iny. Isan'andro, dia maharay fitarainana hatrany ny polisy amin'ny fanendahana sy sinto-mahery ataon'izy ireo. Na fiara mandalo aza, hoy ny fanambarana azo, dia mbola hitan'izy ireo ihany ny hirika hamelezana azy. Vao niainga teny amin'ny « muraille de chine » ireto jiolahy ireto, dia efa nandeha ny feo hoe miala any ry zalahy. Nivonona avy hatrany ireo polisy niandry teny an-toerana, ary nitsongo dia azy ireo. Tampoka teo anefa, dia rifatra nandositra avokoa izy rehetra raha vao nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana, ka teo no nahalavo an'io iray io.
Eny amin'ny tranom-patin'ny HJRA ankehitriny ny razana, Tsy fantatra izay tany niaviany sy ny momba azy. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman'izy ireo.




Maître Louis Sagot sy ny vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Maître Anne Marie Sagot
Docteur Marie France Sagot
Ramatoa Yolande Sagot
Andriamatoa Henri Koller sy Sylvie vadiny ary ny zanaka aman-jafiny.
Andriamatoa Frédéric Saucourt mivady sy ny zanany Charline
Sy ny fianakaviana iray manontolo.
Dia maneho etoana ny fisaorana lehibe sy fankasitrahana ho anareo rehetra izay nampahery azy iroo tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo.
Ny fianakaviana dia hivory ao Mandroseza ANTANANARIVO 101 ny Asabotsy faha-27 Septambra 2008 manomboka amin'ny folo ora maraina.




Ny Vady,
Ny Zanaka aman-jafin'
dia "mankasitraka eram-po, eran-tsaina amam-panahy"
ny Filoham-pirenena, Atoa Ravalomanana Marc sy Ramatoa vadiny
ny Governemanta Malagasy tarihin'ny Praiministra Rabemananjara Charles mivady, ary indrindra ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Kolontsaina tarihin'ny Dr Robinson Jean Louis mivady
ny Antenimieran-doholona
ny Antenimieram-pirenena
ny Faritra Analamanga
ny Commune Urbaine Antananarivo Renivobitra
ireo Communes Rurales Ivato Firaisana sy Ivato Aéroport
ireo Fokontany samihafa
ireo Masoivoho Vahiny sy Iraisam-pirenena
ny Akademia Malagasy
ny Fiangonana rehetra
ny Fikambanana sy Orinasa ary Sekoly samihafa
ireo Antoko Politika samihafa
ny Mpanao Gazety, ny Haino aman-jery, ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy, ny Mpanakanto, ny Skoto Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Hopitaly Soavianandriana,
tonga nampahery sy nidobododo ary nanome tanana azy ireo tamin'ny namoizany an'i
Andriamanitry ny Fiadanana anie homba anareo amin'ny adidy amana andraikitra iantsorohanareo.




Ny Vady, Ny Zanaka aman-jafin'
dia "mankasitraka eram-po, eran-tsaina amam-panahy"
ny Havana aman-tsakaiza, ny Vahoaka, ary ireo Malagasy any am-pitan-dranomasina, niray aina sy niombom-bavaka tamin'ny namoizana an'i
Enga anie ho toetrantsika ka hitondra fiadanana ny "Raha maratra izany vava, miainga hisafo eo ny tanana". ''Raha maratra koa ny tanana, io mitsoka eo ny vava" "Na samihafa toerana aza, mifanampy lalandava".
Rado, 28 Avrily 2007




Tantara mitohy
Misokitra biby an-davaka. Io no niantsoan'ny maro ilay fisavana indray ny trano fiasan'ingahy Roland Ratsiraka. Ben'ny tananan'i Toamasina teo aloha izay nahiditra am-ponja noho ny resa-bola tsy mazava teo amin'ny kaominina notantanany.
Taorian'ny nivoahany ny fonja, dia niniha nangina ny tenany. Ireo anto mpiara-diha aminy kosa, dia mbola heno tetsy sy teroa ihany ny fanehoan-kevitra nataony. Nahasorena ny mpanara-baovao maro ihany ny nandre ny fihetsiky ny fanjakana nanao iny fisavana iny. Fa angaha mikasa hanogam-panjakana ity lehilahy efa nifitsaka ity, no dia natao toy ireny ny fisavana ? Toa lasa hatrany ny saina hilaza hoe, sao mba nisy nanome vaovao tsy marim-potondra indray tany, ka tafalatsaka amin'ny vovo toy izao ny fanjakana, hoy ny mpandalo ? Tantara mitohy ity, ary dia nanaitra ny torimason'ny mpanao politika maro ny tranga iray iny, satria mety hiitatra any amin'izy ireo ny fisavana toy izao. Iza indray no manaraka ?




Fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tsy miankina
Tombotsoa maro no azo avy amin'ny 3P
Nifarana ny talata teo ny seminera momba ny 3P na Partenariat Public Privé, izay notanterahina nandritra ny roa andro tetsy Anosy. Nandray anjara tamin'izany avokoa ny solotenam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Nametrahana ny lalàna sy ny rafitra rehetra mikasika ny 3P no nanatanterahana izany. Nisy ihany koa ny fandinihana ny paik'ady hanatanterahana azy io. Nanambara ny minisitra Ivohasina Razafimahefa, fa nahafahana nandinika izay paik'ady avy amin'ny fanjakana sy izay zavatra manintona ny tsy miankina amin'izany, io seminera io.
Tombotsoa maro no azo avy amin'ny 3P. Anisan'izany ny firoboroboan'ny famatsiam-bola sy ny fampitaovana. Ilaina tokoa ny 3P, hoy ny nambaran'ny avy ao amin'ny banky iraisam-pirenena, indrindra fa amin'ny fanatanterahana fotodrafitrasa maro. Mamatsy ny tetikasa izay miditra ao amin'ny 3P mantsy ny banky iraisam-pirenena. Anisan'izany ny fanamboarana ny seranantsambon'i Ehoala, izay hifarombonan'ny tetikasa PIC sy ny QMM. Tokony hifanome tanana ny fanjakana sy ny tsy miankina mba hisian'ny fampandrosoana, mba hahazoana vokatra tsara sy betsaka kokoa. Anisan'izany ny fialan'ny fanjakana amin'ny sehatry ny famokarana mba hanomezana ny fitantanana ho an'ireo sehatra tsy miankina. Ilaina tokoa mantsy ny traikefan'ny tsy miankina manoloana ny fandaharan'asan'ny fitondram-panjakana.
Poussy R.




Taratasy
Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra
"Ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra no antenaina fa mety hahafoana tanteraka tsikelikely ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara.
Enim-polo (60) taona no naha-zanatany frantsay antsika Malagasy. Nandritra izay enim-polo taona izay dia teny frantsay no teny nenti-nampianatra teto Madagasikara. Mba azontsika an-tsaina moa ny isan'ny Malagasy tsy nahay namaky teny sy nanoratra ? Angamba any amin'ny fitopolo isan-jatony (70%). Ekentsika ve izany ? Tsy rariny ary tsy mendrika izao taonjato faha-iraika amby roapolo izao.
Izaho dia zanaky ny fanjanahan-tany. Tamin'ny 1944 aho no niditra an-tsekoly. Teny frantsay rano fotsiny no nampianarana anay nanomboka tany amin'ny kilasy fahaefatra nantsoina hoe 1ère A, ka hatrany amin'ny kilasy voalohany na 1ère B. Zato mahery kely teo izahay no iray sekoly izay mizara kilasy efatra (kilasy fahaefatra, kilasy fahatelo, kilasy faharoa ary kilasy voalohany). Valo taona ny zaza no tsy maintsy miditra an-tsekoly ary feno efatra ambin'ny folo taona izy tsy maintsy miala fianarana. Tsara ny fomba fampianatra. Ho fanazarana ny ankizy miteny frantsay dia nisy ny natao hoe "exercice de langage" izay atao isan'andro isan'andro. Ho fanazarana azy mamaky teny frantsay nisy kosa ny "lecture," isan'andro ihany koa. Ho fanazarana azy manoratra ny teny frantsay nisy ny "dictée française" intelo isan-kerinandro. Ho fampitomboana ny fitadidiany tao ny "récitation". Ny fianarana ny kajy, ny "système métrique, ny jeografy samy natao tamin'ny teny frantsay avokoa. Raha mandeha tsara ny fianaran'ny zaza iray, ka tsy mamerina kilasy izy (tsy midobla hoy ny fiteny tamin'izany) dia roa na telo taona, eny, mety ho efatra aza eo amin'ny kilasy voalohany. Noho izany raha mbola ao am-pianarana izy dia azo lazaina fa mahavaky boky tsotsotra amin'ny teny frantsay. Saingy taona vitsivitsy monja aty aoriana (telo na efatra eo) dia adinony ny teny frantsay. Dia zary lasa tsy mahay mamaky teny sy manoratra indray izy. Eo amin'ny fiainany andavanandro mantsy dia tsy misy mihitsy ilany ilay teny frantsay. Ny tenin-drazany no ampiasainy eo amin'ny fiaraha-monina misy azy, anefa tsy nampianarina azy io tenin-drazany io. Ireo manaraka ny finoana kristianina no misy mba mahita zorony satria voatery mamaky baiboly sy fihirana. Amin'izany aza dia mbola sahirana mafy tokoa. Asa raha fantatry ny maro fa ampahany kely dia kely ny zanaky ny tantsaha no mba manohy fianarana. Tsaroako tsara fa tamin'ireo ankizy zato mahery kely niray sekoly taminay dia enin-dahy izahay no nanohy fianarana taty Antananarivo ary iray tao Anjozorobe. Samy zanaka mpilaravinahitra izahay ireo. Raha manamanana ny tantsaha dia tsy mandefa ny zanany hianatra fa manjary lava volo, hono, ny taniny. Raha sahirankirana ara-pivelomana indray izy dia tsy mampianajanaka, fa tsy misy hanampy azy amin'ny fameloman-tena. Raha tiana ho resy ny tsy fahaizamamaky teny sy manoratra dia aoka ny teny ampiasaina andavanandro no ampianarana sy ampianarina ny olona. Tsy inona izany, fa ny tenin-drazany".
Razafiarivony Wilson, Ampamoha.




Maître Louis Sagot sy ny vadiny ary ny zanaka aman-jafiny
Maître Anne Marie Sagot
Docteur Marie France Sagot
Ramatoa Yolande Sagot
Andriamatoa Henri Koller sy Sylvie vadiny ary ny zanaka aman-jafiny.
Andriamatoa Frédéric Saucourt mivady sy ny zanany Charline
Sy ny fianakaviana iray manontolo.
Dia maneho etoana ny fisaorana lehibe sy fankasitrahana ho anareo rehetra izay nampahery azy iroo tamin'ny namoizany ny malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo.
Ny fianakaviana dia hivory ao Mandroseza ANTANANARIVO 101 ny Asabotsy faha-27 Septambra 2008 manomboka amin'ny folo ora maraina.




Lavitra ny lalana
Fanamby tsy maintsy mipetraka ny fampandrosoana ny firenena. Na zovy olona tafakatra eo, dia firenena aloha, vao ny fitiavan-tena. Ny mifanohitra amin'io, dia mampivarina an-kady ny tanindrazana.
Lavitra ny lalana ho diavintsika raha nandre ny kabary nataon'ny filoha Ravalomanana tany New-York farany teo isika. Mila ny fanampiana ataon'ny firenena matanjaka i Madagasikara, vao ho tafavoaka amin'izao fahantrana izao. Ny sehatry ny fampianarana sy ny fandriampahalemana, dia vola be no notanisain'ny filoha vao afaka miala amin'izao sehatra misy antsika izao. Midika io, fa eo am-pelatanan'ny vaventy ny hoavintsika iray manontolo. Apetraho ny fanamby goavana, izay hiainga amintsika mianakavy, fa tsy maintsy tafarina ny tanindrazana. Firenena rotiky ny ady aza miady lohalaharana amin'ny firenena matanjaka, koa maika fa isika manana ireto harena milevina sy ambonin'ny tany ireto. Tsy ho mora kivy, fa mila miray saina. Vitan'ny hafa ve tsy ho vitantsika raha tena eo ilay finiavana. Manana ny MAP isika, saingy raha nandre ilay kabary nataon'ny filoha Ravalomanana farany teo, dia hay mbola lavitra ny lalana. Tsy i Madagasikara irery no firenena mila fanampiana, koa na ho inona fahaizantsika miresaka sy mandresy lahatra ny vahiny, dia mbola mijanona ho am-bava ny ankamaroany. Sa amin'izao dian'ny filoha any ivelany izao, dia hitsetra antsika ny firenena matanjaka, ka ho tratra ny tanjona hialana amin'ny ampaham-pahantrana hatramin'ny 2015 ?




Soanierana Ivongo
Mandidy dia homana ny ben'ny tanana
Nametram-pialana avokoa ireo mpanolontsainan'ny kaominina miisa 7, ao amin'ny kaominina Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo ny 10 septambra lasa teo. Fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no anton'izao fametraham-pialana izao.
Io no nambaran'ny depiote voafidy tany an-toerana Mananjara Fidson, izay isan'ny tsy hanaiky lembenana amin'izao trangan-javatra mitranga izao. Nisy ny vola Ar 9 tapitrisa avy amin'ny filoham-pirenena nomena isaky ny kaominina. Tsy hita akory anefa izay nampiasàna azy, dia voalaza fa lany ny vola. Paompy kely vitsy no nataon'ingahy ben'ny tanana, nefa dia hita fa foana ny kitapom-bolan'ny kaominina. Misy ihany koa ny fampiasana ny trano lehibe ao amin'ny kaominina ho an'ity ben'ny tanana ity manokana, hitehirizany akotry ny fananam-bahoaka, ary voalaza fa tsy misy fiaraha-midinika amin'ny mpanolon tsaina ny asa atao rehetra. Tsara ny milaza fa avy amin'ny antoko TEZA ingahy ben'ny tanana, saingy ireo mpanolon tsaina TEZA 4 dia niara-niala tamin'ireo mpanolontsaina TIM 3. Miahiahy be ny mponina ao amin'ity kaominina ity momba izao fandaniam-bola tsy mandeha amin'ny laoniny izao. Fantatra fa hametraka fitoriana eny anivon'ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitsarana ireo olom-boafidy niala ireo araky ny nambaran'ity depiote ity.




Nohon'ny fihavanana dia mampandre anareo izahay ny fodiamandrin'ny malalanay :
tany Paris, ny 24 septambra 2008 rehefa nivahiny 72 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAKOTOARIMANANA RAZAFY Rasoarivony Fine
Ny zanany :
Marie Hélène Vonisoa sy Marcel STANUSIC,
Andréa Hanitra sy Docteur Andry RANDRIANJOHANY.
Ny zafikeliny :
Adrien Hasina sy Alexandrine Faniry STANUSIC,
Antsa Emilie sy Dimby Denis RANDRIANJOHANY.
Ny iray tampo aminy :
RAKOTOARIMANANA Laurent mivady sy ny zanaka aman-jafiny,
RAKOTOARIMANANA Florent mivady sy ny zanaka aman-jafiny,
DARTIGUEPEYROU Daniel sy Sahondra sy ny zanaka aman-jafiny,
RAKOTOARIMANANA Farahariniavo sy ny zanaka aman-jafiny,
ANDRIANJAKA Jaonah sy Docteur Voahirana sy ny zanaka aman-jafiny,
RAKOTOARIMANANA Georges Lalao mivady sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Docteur RAZAFINARIVO mivady sy ny zanaka aman-jafiny,
RAKOTOBE mivady sy ny zanany,
RAKOTORATSIMBA Nary mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAZAFY Soasolo,
Docteur RAZAFIMBAHINY Hervé mivady,
RAZAFIMBAHINY Anna sy ny zanany,
Ny fianakaviana mantolo
« Tsaroanay tokoa izao ny soa be noraisinay ».
(Fih. 20)




Manindry ny TIM ny TGV
Hifanotofana ny fizarana kahie ho an'ny zanaky ny sahirana eto andrenivohitra. Rariny ny toy izao, satria izay mba manana ny anjara masoandro no aoka hitsimbina ireo madinika ireo
Nitarika ity fizarana fitaovam-pianarana ity voalohany ny TIM. Efatra isaky ny ankizy no natolotra tamin'izay. Mbola mitohy io hatramin'izao. Niditra an-tsehatra toy izany koa ny fikambanana samy hafa, izay tafiditra amin'ny fifaninanana masina. Soa tokoa fianatra, ka nanomboka omaly, dia nizara kahie isaky ny boriborin-tany koa ny TGV. Voa indray aloha ny TIM teto raha ny isa no asian-teny, satria 20 isaky ny ankizy ny an'ireto TGV ireto, fa tsy 4. Manana endrika fanindriana ny ataon'ny antokon'ny fitondrana izao miseho izao hoy ny mpitazana, satria nahoana raha kitapo na boky indray no nozarain'ny ankilany, fa tsy kahie tahaka ny an'i TIM ? Manomboka ny fifaninanana eo amin'ireo antoko roa ireo, ary hita fa samy maka ny fon'Antananarivo ny tsirairay. Maro an'isa eto ny sahirana, ka azo antoka, fa efa fitsimbinana ny vato aoriana kely ny toy izao. Dia ho hita eo ny tohiny, fa izay mahatolotolotra hono, sarotra adinoina ao an-tsain'ny mahantra.




Fahasalaman'i Ratsiraka
Salama tsara ny amiraly
Tomady sady, salama ny amiraly. Io no valin'ny filazana tao ho ao, fa tsy salama ingahy Didier Ratsiraka. Mampamangy ny vahoaka Malagasy any hoy ny tenany, raha nampita hafatra ho an'ny malagasy izy. Ingahy Roland Ratsiraka no nampitondrany io hafatra io. Endrika fanagiazana ny tenany ny toy ireny hoy izy. Ninia nangina aho, raha vao nivoaka ny fonja, saingy toa manosika ahy hiteny ny tranga nahazo ahy farany teo. Miantso ny vadin'ny Filoha Ravalomanana ny lehilahy, mba hiroso amin'ny fampivondronana ny vehivavy vadin'ny mpitondra rehetra. Hametraka ny fampihavanam-pirenena haingana no tanjona amin'io, satria maro amin'ireo vehivavy ireo, no miahiahy ny mety ahazo azy ireo atsy ho atsy.
« Tsy te hahita toy ny nahazo ahy teo aloha intsony aho » hoy Roland Ratsiraka. Fony aho nigadra dia nohanin'ny voalavo, toy ny saka ny habeny. « Sambany tamin'ny fiainako no nisy toy izany ». « Tsy omen-tsiny aho minia mangina aloha ». Raha ny fisehon-javatra teto hatramin'izay, dia efa hafatra goavana ny tian'ny vahoaka eto an-drenivohitra hahatongavana. Ny fifidianana izay ho ben'ny tanana farany teo io, ka naharesy ny TIM. Raha te-hanova ny vahoaka, dia miova io na dia rahampitso ihany aza. Mety mbola hitondra mandritra ny 50 taona ihany koa anefa ity fitondrana ity. Ny vahoaka ihany ny tompon'ny teny farany hoy izy omaly. Ireo raha fintinina no nambaran'ingahy Roland Ratsiraka omaly tamin'ny mpanao gazety.




Ny vadiny :
Ravoaja Minotiana Mamisoa teraka Razanamahefa
Ny zanany :
Ravoada Miora, Zoly, Fara, Nirina
Sy ny fianankaviana manontolo dia maneho etoana ny fsaorana sy fankasitrahana feno anareo rehetra tonga nidodododo, nampahery sy nanotrona ny fianakaviana tamin'ny namoizany ny malalany :
Hisaorana manokana eto ny :
Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Kolotsaina tarihin'i Dr ROBINSON Jean Louis
CMA (Clinique Maternité d'Anosibe)
ROTARY CLUB IVATO
Fianakaviamben'ny kanetibe
Fonkontany samihafa
Fiangonana
Tapaka sy namana eto an-toerana sy ny any am-pita




Papa, maman, ny iray tampo
ary ny fianakaviana manontolo
Roa taona sahady izay No nandaozanao anay Tsy ho voakosoka ato anaty Ary ho tadidy mandramaty
Dô , mandria am-piadanana !
Fa asandratray ho rehareha mandrakizay ianao
(Isaia 60 - 15)




Biby sa olona
Hisy orinasa lehibe hamokatra sakafom-biby am-polo-taonina isan'andro hatsangana eo Andohatapenaka. Eo amin'ireo tanimbary sy tany nisy tranon'olona an-dalan'ny ho tototra no hanaovana izany. Nanazava ny anton'ny ilana izany ny filoha Ravalomanana tamin'ny alin'ny zoma lasa teo raha vao tonga avy nanatrika sy nandray anjara tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana.
Araka ny fahazoana azy dia mifaninana mafy loatra ny sakafom-biby sy ny sakafon'ny olona hany ka saozanina foana ny biby fiompy. Raha tsy ampy ny sakafon'ny olona dia tsy maintsy miafy na tsy mihinana mihitsy ny biby. Mampahatsiahy ny ohatra miendrika fanontaniana nataon'izy filoha ihany izy ity raha niresaka momba ny fiompina sy ny fampianaran-janaka izy, indray andro. Hoy izy nanontany hoe : tsy fantatra intsony na ilay zaza no ambesan'ny omby, na ilay omby iray na roa no andrasan'ilay zaza. Kanefa io zaza io dia tokony hianatra, saingy indrisy.
Ho an'ny tokantrano malagasy any ambanivohitra dia tena marina izany. Mifampiankina na mifampiditra mihitsy ny fiainan'ny biby sy ny olona. Izay ambin-tsakafo eo no omena ny biby fiompy. Tsy misy loatra ny sakafo atokana ho an'ny biby fiompy, hafa tsy ny vilina isan-karazany sy ny mololo ary ny kolikoly na solofo dimbin'ny vary. Ireo no tena voatokana ho an'ny biby. Ny sisan'izay, tahaka ny mangahazo, ny katsaka, ny karaoty, ny saozaha, ny vomanga sy saonjo, dia hifampizaran'ny olona amin'ny biby. Ankoatry ny tamin'ny andron'ny "barieran'ny SINPA", tany amin'ny taona 1981-1982 tany afovoany andrefana, ka nanatavizana kisoa ny vary, satria tsy nahaleo ny sarany ny vidiny raha namidy tamin'ny fanjakana sy ireo orinasa miankina taminy.
Ity orinasa ho eo Andohatapenaka ity, izay efa nahitana vola avy any ivelany ny hanorenana sy hampandehanana azy dia hamokatra sakafo ho an'ny biby fotsiny na "praovandy" izany. Ny filoha moa tsy nilaza na angamba nihevitra fa tsy ilaina ho fantatry ny be sy ny maro hoe biby inona avy no voakasik'izany fa ny tena mandany vola koa ange, indrindra vola vahiny, dia ny sakafon'ny "crevette" na makamba na patsa be, izay fantatra fa ny ampahany betsaka dia hafarana avy ao Maorisy.
Ny fantatra aloha dia efa misy orinasa lehibe mamokatra sakafo ho an'ny kisoa, akoho, bitro sy ny hafa koa. Misy koa ny orinasa madinidinika any antsefantsefany any. Fa hatreto dia tsy mbola misy tena mpamokatra sakafo ho an'ny trondro atao hoe "saumon" sy "truite". Ireo dia vokatra be mpitady ary azo inoana fa hanondrana an'io isika rehefa tototra ny tanimbarin'i Betsimitatatra.
Raha tsorina ny tian'ny filoha lazaina dia hamelona ny toekarena malagasy no antony hanotofana io faritra io. Raha ny ahiahy mikasika ny tondra-drano aty amin'ny manodidina ny tatatra GR sy C3 (Ampefiloha, Manarintsoa, Isotry, Ankasina, Antohomadinika, Ankazomanga) dia tsy anjarany fa anjaran'ny teknisiana ny misoroka izany. Ny voamarika aloha tamin'ny resaky ny filoha teny Ivato ny zoma alina teo, dia tsy niteny momba ilay tany voalaza fa hananganana trano fonenana eo Andohatapenaka izy. Asa, fanadinoana sa hoe efa mazava iny fa ny biby fanondrana no tena maika etsy an-daniny fa ankilany ny olona koa... sao adino.




Mazava ny resaka
Hanaovana ozinina lehibe hamokatra sakafom-biby ilay toerana lehibe totofana etsy Andohatapenaka. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana raha vao tafaverina avy any New York izy.
Mamokatra provandy hatramin'ny 25 taona isaky ny adin'ny iray io toerana io. Tanim-panjakana io hoy ny filoha, ka izao nirosoana izao ny fanajariana ny tany. Fiaraha-miasa eo amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana ary ny FAO izao asa izao. Mazava amin'ny maro avy hatrany, raha vao miresaka izany ny filoha, fa hahazo tombon-dahiny lehibe amin'io ny orin'asan'ny filoha, izay mamokatra itony sakafom-biby itony. Io ilay tsy miankina nambaran'ny filoha. Efa tsinjon'ny maro hatry ny ela io, ary na ireo tompon'andraikitra samy nialangalangala tsy nety nilaza ny anton'io fanotofana tany io aza dia efa mazava ny resaka. Efa malalaka ve ny fanotofana tany eto an-drenivohitra sa izay tetik'asa goavana toy izao ihany no afaka manao izany ? Na ny teo anivon'ny kaominina an-drenivohitra aza, dia nanambara fa tsy nisy alalana navoakan'izy ireo momba ny fanotofana tanimbary toy izao. Andraikitra nankinina tamin'ny APIPA ity fanotofana tany ity ankehitriny, ary ho hita taratra fa maro no hiroso amin'ny toy izao, satria samy te-hanototra ny taniny avy ny ankamaroan'ny olona manana izany.




Vatomandry
Sarona ny vazaha nangalatra hazo sarobidy
Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron'ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin'ny alin'ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan'ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan'ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik'ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon'ny entana ka dia notanan'ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian'ny famotorana ataon'ny polisy.
Ao anatin'ny fiofanana mahakasika ny fandriampahalemana indrindra ny polisim-pirenena ao Vatomandry amin'izao fotoana izao. Anisan'ny tafiditra ao anatin'ny hetsika ataony ny famongorana itony halatra hazo sarobidy itony. Efa ho lany tamingana mantsy ireny hazo sarobidy ireny ka raran'ny lalàna ny fanapahana azy.




Tsy hiova ny Governemanta
Tsy ilaina ny manova olona
Tsy kilalaon-jaza ity manova olona isaky ny mihetsika ity. Noporofoin'ny filoha Ravalomanana io tamin'ny zoma alina teny Ivato. Vao manomboka ny asa ka hanova Governemanta ahoana ?
orofo iray io, fa olona mahatoky mahavita azy avokoa ireo narafiny ao anatin'ny Governemanta ireo.
Asa maro no miandry ireo mpanatanteraka, ary isan'io ireo notanisain'ny filoha nandritra ny kabariny teo anoloan'ny firenena mikambana tany New York. Ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin'ny tazo moka, izay ilàna volabe. Efa nisy ampahany azo amin'io izay mahatratra 3 miliara dolara mahery. Mbola ho avy ny manaraka hoy izy. Ny sehatry ny fanabeazana, izay nidirantsika ny fanovana ny lalana tokony hizorana. Nideran'ny firenena maro an'i Madagasikara ny toy izany, ary voalaza ihany koa ny fanatsarana ny fianan'ny mpiasam-panjakana, na ny mpiasam-bahoaka. Ny fananana rano fisotro madio, dia ao anatin'ny ezaka amin'io isika. Tsy maintsy tratra ny tanjona hoy ny filoha, ary soa ihany fa manana ny programan'asa ny MAP isika nahaizana nandresy lahatra ny vahiny. Ireo asa ireo, dia tsy andraikitra lehibe miandry ireto mpanatanteraka ireto, ka antony iray tsy hidirana amin'io fanovana Governemanta io.




Raharaha Bôlô
Voatonona ny minisitry ny Polisy teo aloha
Hivoaka ny 6 oktobra izao ny didim-pitsarana momba ny raharaha Bôlô. Naharitra ora folo mahery ny fitsarana ady heloka tsotra teny Anosy omaly tontolo. Famoahana fitaovam-piadiana antsokosoko tao amin'ny toby miaramila, RTS Fiadanana ny alin'ny 04 novambra 2007 no nampidirana am-ponja vonjimaika teny Antanimora sy Tsiafahy ireo 11 mirahalahy mianaka niaraka taminy tamin'izany. Nilaza i Emmanuel Razafindrazaka na i Bôlô fa nantsoin'ny ministry ny polisy, Razakanirina Lucien Victor ; ny volana aogositra 2006 fa misy asa ampanaovin'ny filoha Ravalomanana azy. Hanao asa fitsikilovana fa misy mikononkonona hanongam-panjakana any ho any. Amin'ny ministra na ny filoha ihany no tokony manao tatitra izy. Nisolo anefa ny ministra ny janoary 2008 ka nivadika ny raharaha. Tsy nanao tatitra tany amin'ny minisitra vaovao, Rasolofomanana Désiré mihitsy i Bôlô. Karazana ampamoaka ihany no nitranga tao amin'ny tribonaly, toy ny vola dimy tapitrisa nangatahin'ny kaomandin'ny borogadin'ny fikarohana heloka bevava, teny Fiadanana tamin'ny sergent Appolinaire Ravoavy, nampangaina fa naka ny lakilen'ny magazay fametrahana fitaovam-piadiana.
Tsy marina
Nifanipaka ny fitantaran'ny sergent Jean Fidèle, kaporaly Jacquit, samy mpiandry raharaha niasa tamin'izany. Nampangainy fa "ny jeneraly Bôlô sy ny kolonely, Kasimo, ny kaomisera Delimizaony no naniraka sy ny nibaiko" azy ireo. "Tsy misy marina izany", hoy Bôlô. Ny ministry ny polisy naniraka azy nilaza teo anoloan'ny fampanoavana fa tsy tokony hanohy ny asa fitsikilovana intsony i Bôlô raha tsy manao tatitra any amin'ny minisitra vaovao. "Noteren'ny tonian'ny fampanoavana sy ny kaomandy ny zandary teny Fiadanana hanaiky ny fiampangana izahay", hoy izy ireo. Noho izany nolavin'izy ireo teo amin'ny Fitsarana avokoa ny teny nolazainy tany amin' ny famotorana tany amin'ny zandary. Tsy nisy akory ny fitaovam-piadiana tafavoaka tamin'izany. Ho an'ny mpiaro ireto voapanga moa dia "tsy misy hafa amin'ireny sarimihetsika ireny ity raharaha ity." "Saingy ny mahasamihafa azy dia mifarana any am-ponja ny an'ireto olona arovany fa tsy mirava maina toa ny mijery sinema", hoy Ôlala.




Antalaha
Mbola « bois de rose » ihany
Manam-pahefana avy aty Antananarivo, miaraka amina zandary ao anaty "bus" efatra, mirongo fiadiana, no mampihorohoro ny vahoakan'ny kaominina Ambohitralainana, atsimo kelin'Antalaha renivohitra, noho ny fananany « bois de rose ». Ireo ny fitarainan'ny olona any Antalaha. Nilahatra ireo tompon'ny hazo nalaina an-keriny, nanomboka ny sabotsy teo, ary mbola nitohy omaly alatsinainy, rehefa, araka ny filazan'ny mpilahatra, nahazo alàlana tamin'ny manam-pahefana any an-toerana.
Vahoaka tompon-kazo no nahazoana ny vaovao izay milaza ihany koa fa poa-basy no entin'ireto olona avy aty Antananarivo ireto ampitahorana, ary maro ireo olona no lasa nitsoaka. Nanome vahana ny "zandary vahiny" izany, hoy ireto mitaraina ka dia nalalaka izy ireo naka ny entana notadiaviny. Ireo tompo-kazo ihany no manohy : « Kamiao sy rojovy no entiny mamoha ny vavahady na miditra ny trano, na tsy misy tompon-trano aza ao. Efa ho in-2 niverina izay ireo kamiao 10 T nivezivezy naka ny « bois de rose » ary apetrany ao amin'ny tokotanin'ny sampan-draharahan'ny Rano sy ny Ala. » Manodidina ny 300 ireo vahoaka miaina amin'ny ala no milahatra, araka ny vaovao farany. Soratra toy ny hoe "aleonay atao kitay toy izay hamidy an-tsokosoko", no hita mibaribary eny rehetra eny.
Vao tamin'ny alahady teo ny filohan'ny Repoblika no nanambara fa tsy tokony henoina ny tsaho fa mampisavorovoro, ary tsy mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny endrin-javatra toy izao koa anefa mahalasa fisainana satria ny tompon'entana no mitondra ny vaovao. Soa fa nanazava ny minisitra tompon'andraikitra : "Fanakorontanana fotsiny izany, fa milamina ny tanàna." Na izany aza, andrasana ny vaovao misimisy kokoa avy amin'ny tompon'andraikitra mahefa hahatonga izay filaminana izay. Ny fantatra aloha dia eo am-pandiovana ny sehatry ny fandraharahana an'ity hazo ity ny fitondram-panjakana. Ny tena tomponandraikitra moa tsy manazava tsara ka dia tsy fantatra intsony izay tena marina fa toa manome vahana ny resabe.




Omaly tsy miova
Ny mpiasa no antoky ny fampandrosoana. Miainga ao avokoa ny masinina mampihodina ny toe-karena rehetra. Tsy ho gaga isika raha mikatso tanteraka ny fiainam-bahoaka raha vao mitokona itony mpiasa itony, na io avy ao amin'ny fanjakana, na ihany koa avy amin'ny tsy miankina. Ny mpitondra izay mifandimby, dia atidoha fotsiny ihany amin'ireo tetika isan-karazany ampiasaina hanatsara ny fiainam-bahoaka. Ny mampalahelo anefa hatramin'izao, dia zary lasa faralahin'olona hatrany ny mpiasa, raha tsy hiteny afa-tsy ny mpiasam-panjakana. Maro ny fampanantenana natao azy ireo, saingy indrisy fa ny omaly tsy miova ihany no hita. Novaina ny fotoam-pidiran'ny mpiasa, ary nambara fa hiainga any amin'ny fijerena ny maha-olona ny tetika rehetra. Miandry isika, fa ny tsapa aloha, dia miha-fadiranovana ireny mpiasa ireny. Porofon'io ny fahitàna, fa telo andro monja aorian'ny fandraisana karama, dia efa mitrosa ry zalahy sy ry zavavy. Misy kosa anefa ireo tafavoaka vetivety, ka tao anatin'ny fotoana fohy dia tafarina ny fiainany. Tsy ny resaka fahaizana no nahatonga izany, fa eo ny lafiny politika. Koa raha tena vonona hanatsara ny fiainam-pirenena isika, dia aza asiana tombo sy hala ny fanatsarana ny ho avin'ny mpiasa malagasy. Raha mbola mitoetra io, dia aza gaga isika raha ho toy izao ny hiafaran'ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara.




Nohon'ny fihavanana dia mampandre anareo izahay ny fodiamandrin'ny malalanay :
tany Paris, ny 24 septambra 2008 rehefa nivahiny 72 taona teto an-tany.
Hoy :
Ny vadiny :
RAKOTOARIMANANA RAZAFY Rasoarivony Fine
Ny zanany :
Marie Hélène Vonisoa sy Marcel STANUSIC,
Andréa Hanitra sy Docteur Andry RANDRIANJOHANY.
Ny zafikeliny :
Adrien Hasina sy Alexandrine Faniry STANUSIC,
Antsa Emilie sy Dimby Denis RANDRIANJOHANY.
Ny iray tampo aminy :
RAKOTOARIMANANA Laurent mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOARIMANANA Florent mivady sy ny zanaka aman-jafiny
DARTIGUEPEYROU Daniel mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOARIMANANA Farahariniavo sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANJAKA Jaonah sy Docteur Voahirana sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOARIMANANA Georges Lalao mivady sy ny zanany.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Docteur RAZAFINARIVO mivady sy ny zanaka aman-jafiny,
RAKOTO RATSIMBA Olivia sy ny zanany
RAKOTO RATSIMBA Nary mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTOBE Henri mivady sy ny zanany
RAZAFY Soasolo
Docteur RAZAFIMBAHINY Hervé mivady
RAZAFIMBAHINY Anna sy ny zanany
Ny havany :
RAZANAKOLONA Christine sy ny zanaka aman-jafiny
Ny terak'i Samuel SALOMON sy RAOELINA
Ny Havany avy amin'ny vadiny :
Ramatoa RASOANINDRINA sy ny zanaka aman-jafiny
Ny terak'i RATSIMBA sy RAZAFINDRAFARA
Ny terak'i RALAY sy RASOARIVONY
Ny Fianakaviana manotolo
Ny Président ny Oniversiten'Antananarivo
Ny Doyen Faculté de Médecine d'Antananarivo sy ny mpiara-miasa
Ny Doyen Faculté de Médecine de Mahajanga sy ny mpiara-miasa
Ny mpiara-miasa ao amin'ny Clinique des Soeurs Ankadifotsy
Ny mpiara-miasa ao amin'ny Marie Stopes International
Ny mpiara-miasa ao amin'ny Clinique de Tanjombato
Ny Ordre National des Médecins
Ny firaisan'ny Diakona sy ny Loholona FJKM Anosipatrana
Ny PROMOFEM FJKM Anosipatrana
Ny fiangonana FJKM Anosipatrana
Ny fiangonana FJKM Andrambato Fehizoro Ny fiangonana FJKM Ambohimiandra
Ny fiangonana FJKM Andohatanjona
Ny fokontany Antsahamasina
Ny fokontany Ambodifasika
Ny nofony dia hiala ao I A I 113 A Nahimena-Antsahamasina, ny zoma 3 oktobra 2008 amin'ny 10 ora , ampandalovina eny amin'ny Esplanade ny Oniversite amin'ny 11 ora sy sasany , ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy fankaherezana ny fianakaviana ao amin'ny FJKM Anosipatrana amin'ny 1 ora atoandro , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan'ny fianakaviana ao Andrambato Itaosy .
« Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, Dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra ».
(Sal 73, 26)




Ny Filan-kevim-pitantanana sy
Ny Tale Jeneraly ary
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny AIR MADAGASCAR
Dia mompandre amin'alahelo lehibe ny fahalasanana tamin'ny : SABOTSY 27 SEPTAMBRA 2008 ny mpiara-miasa aminy :




Dina ifampifehezana
Maharikoriko ny fomba famonoana olona ankehitriny eto Madagasikara. Mihoron-koditra ny vahoaka. Mieboebo ny mpanao ratsy, satria maro amin'izy ireo no mbola tsy tratra amin'izao fotoana izao.
Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana, saingy ireny mbola iarahana mahita ireny ny zava-misy. Manana akony ratsy any ivelany izany, ka mety hampihemotra ireo mpizaha tany tokony hiditra eto. Mamy ny miaina hoy ny maro ka aleo mailo. Tsy ho vitan'ny mpitandro ny filaminana irery anefa izany, fa mila fandraisan'ny be sy ny maro andraikitra haingana. Eo ny tokony hametrahana ny andrimasom-pokonolona. Isaky ny fokontany io, ary hiarahana miasa amin'ny mpitandro filaminana. Ireo olona ahiahiana, tokony hisy fanaraha-maso ny momba azy, fa tsy sanatria atao tondro-molotra fotsiny, ka hiteraka korontana eo anivon'ny mpiara-belona. Apetraka ny dina ifampifehezana hahamora ny fiarovana ny fandriampahalemana eo an-tanana. Tsaroan'ny maro ny raharaha 2002. Inona no ratsy tsy resin'ireny fiaraha-mientan'ny vahoaka ireny ? Nipetraka tetsy sy teroa ny andrimasom-pokonolona, ka na atody iray aza tsy nisy sahy nikitika noho io fatahorana ny fiaraha-mientan'ny daholo be io. Inona no maha-ratsy ny famerenana ny firaisankina toy ireny, mba hitsimbinana ny ain'ny vahoaka isaky ny fokontany ?




Dinan'ny fanabeazana
Mandoa lamandy izay tsy mampiana-janaka
Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra any amin'ny distrikan'ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin'ny tompon'andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin'ny faran'ny herinandro.
Teto no nambara amin'ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain'ireo manam-pahaizana ka nankatoavin'ireo vahoaka, taorian'ny fivoriana. Voambara ao anatin'ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, hatramin'ny 20 taona ho any an-tsekoly.
Mandoa ar 5000 kosa izay miala an-daharana eny antenantenany eny. Mandoa ar 5000 ihany koa ny mpianatra tsy hita ao anatin'ny 3 andro ka tsy manana fanamarinana sy antony mazava. Mbola mandoa dina ihany koa ny mpianatra sarona mijery video sy mijery « jiromena ». Namaranana ny fivoriana ny fampahafantarana fa misy ny fanadinana CEPE na dia eo aza ny fiovan-drafitra vaovao tsy maintsy atrehana. Ny tanjona amin'ireo fametrahana dina ireo dia ny hahatongavan'ny mpianatra hatrany amin'ny kilasa famaranana, raha voatery tsy maintsy hijanona amin'ny fianarana any aoriana any.




Ahiahin'ny « zoky »
Raha tafaresaka tamin'ireo mpiara-miasa amin'ny mpanao gazety sy tamin'ireo mpanao gazety tranainy sasantsasany dia sadaikatra ihany ny tena satria eo am-perinasa ary mahatsapa ho tena mbola misy lesoka na dia efa miezaka mafy aza mba hanara-penitra. Sarotra tokoa ity asa ity.ary mihaiky ny tena fa mila mailo sy matsilo tsy an-kiato mba tsy handiso fanantenana ny mpamaky ny tena ao anatin'ny fahamarinana sy ny soatoavina malagasy sy fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe.
"Fa angaha tsy misy fotokevitra ifanarahana sy ifampitondrana eo amin'ny asa fanaovan-gazety", hoy izy ireo ? "Ary indrindra indrindra toa adinonareo tsikelikely ny soatoavina malagasy toy ny fahendrena sy ny fanahy maha-olona", hoy ihany izy ireo.
"Izahay, hoy izy ireo nanohy ny resaka, tsy am-perinasa intsony fa mpamaky toa ny olona liam-baovao rehetra fa dia efa mankaleo mihitsy ity tsy fijerenareo ny maha-malagasy antsika ity. Ekena fa ireo ny zava-misy : vono olona atsy, fanolanana aroa, fangalarana sy herisetra miaro habibiana manginy fotsiny. Ary tsy misy manakana ny tsy ilazana ireny. Saingy tokony jerena ihany ny fomba ilazana azy am-pahendrena, amin'ny fandanjalanjana ny zavatra tiana hampahafantarina ny vahoaka. Ary indrindra koa ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety. Raha izay no tsy vita tsara dia mampihen-danja ny asa maha mpanelanelana sy mpampita vaovao ny asana mpanao gazety", hoy izy ireo manantitrantitra.
Fantatra avy hatrany moa ny tian'izy ireo ambara ary mampahatsiahy ny resaka nifanaovana tamin'ny ministry ny Fifandraisan-davitra sy ny Serasera indray andro tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny trano fandraisam-bahiny iray tao Antaninarenina.
Fa ny tena mampiahiahy ihany koa dia ity "Internet" ity. Ny fantatra hatramin'izao dia tsy misy mahafehy ny fampahalalam-baovao sy ny firohotr'izy ity maneran-tany. Nanandrana ny Sinoa farany teo nandritra ny "Lalao Olimpika" fa tsy nahovoka firy amin''ireo zavatra tian'ny olona hambara ao anatin'io "internet" io. Tena mametraka fahasahiranana maneran-tany mihitsy, ary indrindra indrindra ho an'ny asa fanaovan-gazety. Satria rehefa ao anatin'io "internet" io dia toa tsy mampiasa firy intsony ireo tarigetra sy fenitra nimatesana amin'ny asan-gazety mahazatra ; na tsy mandaitra firy intsony ny ezaka natao sy nampiharina hatrizay mikasika ny "déontologie" sy ny etika. Toa tsy mipetraka intsony ny fanontaniana hoe marina ve izany fa dia hoe voalaza sy hita tao amin'ny "internet" !
Ka marina daholo ve izay voalaza ao amin'ny "internet" ? Misy lalàna ve mikasika ity loharanom-baovao ity eto amintsika ? Indrindra isika izao dia tafiditra ao anatin'ny vondrona maromaro toa ny SADC, ny COMESA, ny COI ?




Raharaha Imerintsiatosika
Raikitra ny tondro molotra
Niatrika ny fampanoavana omaly tontolo ny raharaha Imerintsiatosika, notondroina ho mpangala-jaza niafara tamin'ny fandrobana sy fandorana fanana'olona. Fitoriana roa samihafa, no niakatra fampanaovana tao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo omaly sy nitohy hatramin'ny alina. Voalohany, ny fitorian'izy mivady rava fananana sy voaroba. Hatramin'ny sivy alina mbola mitohy ihany fihainoana. Ny borigadin'ny zandarin'Imerintsiatosika no nisahana izany. Ny faharoa, fitorian'ireo ray amandrenin'ireo zaza nolazaina fa "nangalarina". Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona indray no nisahana azy. Natambatra avokoa izany fitoriana roa samihafa izany, tamin'ny fandinihana azy, hoy ny tonian'ny fampanoavana ao Arivonimamo, Randriamalazafeno Jean de la Croix.
Nahatratra 31 ireo voakasiky ny raharaha, tsy ao anatin'izany ireo vavolombelona am-polony. Raha tsiahivina, dia notafihin'ny mponina tao Imerintsiatosika ny tranon'ilay mpanao fitaterana antsoina hoe "zaza mila vola". Nolazaina fa nangala-jaza satria nitazona zaza. May ny trano sy ny fiara kamiao roa, mazda iray, ary opel iray. Vola 75 tapitrisa ariary no very tao antrano. Vola saika hividianana rofia any Maevatanàna. Nisy kamiaon'olon-kafa koa may tao. Potika ny fanananay ka any amin'ny fianakaviana izahay no mipetraka, hoy izy ireo.
Zaza tratra nisaoty tamboho, saika hangalatra piesy na fiara. Efa fanindiminy izy ireo no tratranay, hoy, Rabezanahary Modeste, mpandraharaha, niharam-boina. Iray no tratra fa nanondro ny namany dimy hafa izy. Tonga tao ny ray amandrenin'ireo ankizy ary nanaiky ny hanao fampiraharahana. Afaka nivoaka sy niditra ny vavahady, avokoa ireo zaza sy ny ray aman-dreniny, hoy ny tompo-trano. Nivadika anefa ny rasa rehefa hariva ny andro satria nitaona vahoaka izy ireo ka nilaza fa mpangala-jaza izahay. Tsy mbola nisy anefa fitoriana momba momba azy ireo ho mpangala-jaza hatramin'izay, hoy ny mpisolovavany. Zaza 9 taona no kely indrindra, 12 taona no zokiny. Hafa kosa ny fanazavan'ny ray aman-drenin'ireo zaza. Valo ny zaza notazonina, hoy izy ireo.




Asa soa navelan'i Mompera André Maire
Manohy asa ny « aide missionnaire »
Tsy maty ao am-pon'ny mponina ao Mandoto ny zava-bitan'i Mompera André Maire, nitondra fiangonana tao Mandoto hatramin'ny taona 1972, hatramin'ny taona 1999. Maty noho ny aretina tazo mahery tao Mandoto ny tenany. Ao Mandoto no milevina ny nofony hatramin'izao. Maro ny asa sosialy navelany ho an'ny faritra any Mandoto iny, toy ny fananganana fiangonana ao Vatovory, ny toby fitsaboana ao Mandoto, fiahiana ireo mpifindra monina ao Morarano, kaominina Anjoma Ramartine, sekoly amin'ny fokontany maromaro.
Tsy navelan'ny fianakavian'i Mompera André Maire hijaona teo ny fanampiana an'i Mandoto fa nanangananan'ny rahalahiny fikambanana antsoina hoe « Aide missionnaire », any Frantsa. Atoa Gilbert Maire rahalahiny no filohan'ny fikambanana izay ivondronan'ireo tera-tany Frantsay maro. Ireo no mikaroka lalam-bola any ivelany, entiny hanohizana ny asa soa efa natombok'i Mompera André Maire. Tonga any Mandoto isan-taona ny fikambanana ka manodidina ny 50 mianadahy no indray mandeha. Indroa izay no notsenaina tamin'ny fomba miavaka ireto mpanao asa soa ireto.
Endrika 3P
Tamin'ny faha 21 septambra teo no tonga eto indray ireo vahiny ireo. Nijery ifotony ny fivoaran'ireo tetik'asa notohanany izy ireo. Efa maro koa mantsy ny fotodrafitrasa natsangan'ity fikambanana ity taty aoriana ka efa manana endrika fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny fikambanana tsy miankina. Fotodrafitrasa fampandrosoana ny fiaraha-monina avokoa no ahian'ity fikambanana ity. Nivimbina fanampiana ho an'ireo mpianatra ao amin'ny sekoly misiona najorony izy ireo. Ankoatry ny fanampiana iraisan'ny rehetra dia miahy ankizy iray isan'olona ny mpikambana ao amin'ny "aide missionnaire".
Fizahan-tany vita ho azy
Nandritra iny herinandro iny no nanatanterahan'ireo vahiny ny iraka nampanaovina azy tany Mandoto. Orinasa AMY TRAVEL, matihanina amin'ny fampivahiniana eto Madagasikara no mpikarakara ity fikambanana ity. Nomen'ity orinasa ity tombony amin'ny fizahan-tany ny vahiny ka nijery ny faritra any atsimotsimo, any amin'ny faritra Vakinankaratra iny. Ny filohan'ny "aide missionnaire" atoa Gilbert Maire dia nanambara fa ny asa navelan'ny rahalahiny dia tsy avelany ho very maina. Ho avy isan-taona ny fikambanana hamita ny adidiny amin'ny mpiray tanindrazana amin'I Mompera André Maire.




Belo amoron'i Tsiribihina
Matin'ny aretina ny kisoa
Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin'ny distrikan'ny Belo amoron'i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin'ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin'izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin'ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon'ny aretina dia saika mitovitovy amin'ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan'andro mantsy dia voalazan'ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan'ilay aretina, ary tsy maharitra andro iray dia maty.
Tsy misy ny vahaolana hatramin'izao, indrindra ho an'ireo mpiompy kisoa amin'ny manodidina. Misy dokoteram-biby any an-toerana, saingy very hevitra ihany koa noho ny tsy fisian'ny fanafody. Hatreto aloha dia tsy nandrenesana olona nifindran'ny aretina. Misy mihinana mantsy ny henan'ny kisoa maty, sady misy mivarotra mora eny an-tsena. Na izany aza dia tsy fantam-pihaviana ny aretina ka tokony halevina haingana ny biby matin'ny aretina.




Biriky, vato, tafo
Tsy hiady fototra, fa efa eo amintsika ny vato, biriky, ary efa hanafo isika. Io indray no malaza amin'ny lahatenin'ny filoha rehefa mikabary etsy sy eroa izy. Tsy mipetraka intsony ilay teny malaza tatsy ho atsy hoe tafapetraka izay ny fototra tao anatin'ny dimy taona.
Toa efa miroso amin'ny fametrahana ny rindrina sy ny tafo ny mpitondra, ka afaka hialokaloka tsy amin-tahotra intsony ny malagasy rehetra. Izay tokoa ve no tena izy ? Tsy vitan'ny fitanisana ireo karazan'asa isan-karazany etsy sy eroa ny fiainam-pirenena. Ny vahoaka izay toa mahatsiaro fangirifiriana toa mitaraina hatrany, satria miha-milentika hatrany ny fiainany. Manaiky ny maro fa mihazakazaka ny fanatanterahana ny asa etsy sy eroa, ary tokony hipaka hatrany amin'ny ati-vilany hoy ny vahoaka ireny asa ireny. Mino isika fa aorian'izao fametrahana ny rindrina sy ny tafo izao, dia efa mba ny fanaka indray sisa no eritreretina. Sa hatreo ihany dia vita ?




La République a 50 ans
La fête de la République, c'est dans dix jours. La République de Madagascar aujourd'hui, la République malgache hier, franchit le 13 octobre son cinquantième anniversaire. Un demi-siècle qui risque pourtant de passer inaperçu. Cet oubli a commencé sous la République Démocratique de Madagascar (de 1975 à 1992) où le régime socialisant de l'époque a voulu effacer toutes traces de la République malgache. Du coup, le 13 octobre n'est plus fêté. Ce bannissement de la fête de la République se perpétue encore aujourd'hui. En agissant ainsi, les dirigeants malgaches après 1972 ont tort devant l'histoire. Premièrement, s'il n'y avait pas la République, ils seraient restés soit des indigènes (de la colonie), soit des sujets (du Royaume de Madagascar). Et non des citoyens de la République comme ils le sont actuellement. Plus encore, la République, étant généreuse par essence, a mis en place un système de régulation sociale permettant à chacun de ses citoyens la possibilité de se faire une place au soleil. Si Tsiranana est parvenu au sommet de l'Etat, c'est parce que Madagascar est une République. Si Ratsiraka a été élu président, c'est parce que Madagascar est une République. Si Zafy Albert a été choisi pour être chef d'Etat, c'est parce que Madagascar est une République. Si Ravalomanana Marc est ce qu'il est aujourd'hui, c'est parce que Madagascar est une République.
Servitude
Le sort que le pays réserve à la République a un nom : ingratitude. Héritée de la colonisation française, il semble pourtant qu'elle figure parmi les très rares legs ayant une valeur positive laissés par la France après 64 années de colonisation. Mais à l'instar de tous les patrimoines déposés par les Français, elle a subi mille et un sévices en cinquante ans de la part des Malgaches, incapables de distinguer le bon grain de l'ivraie. Le traitement par la République de ses citoyens porte également un nom : servitude. Celle-ci se décline en service public. Tout fonctionnaire, tout agent de l'Etat, tout élu, toute personne aspirant à une charge publique doit avoir à l'esprit qu'ils servent la République et ses citoyens. Autrement dit, qu'ils sont en charge de la vie publique. Toute autre intention est condamnable, au nom de la République.




Loholona Rabetsitonta
Mba mahalala menatra ry mpanohitra
Tsy mpanohana izao fanjakana izao izahay, raha toa ka tsy niteny ny tarehi-marika. Niakatra hatrany amin'ny 7,5% ny harin-karena faobe teto Madagasikara. Midika io fa misy ezaka lehibe nataon'izao fitondrana izao hanatsarana ny toe-karena Malagasy.
Ny Grad Iloafo, hoy ny loholona Rabetsitonta, dia dia mahay mihaino, ary manolotra soson-kevitra entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Tokony hisy ny sehatra malalaka afahana maneho hevitra, nefa tokony hiavaka tsara ny mpiray diha amin'ny fitondrana sy ny ankilany any amin'ny mpanohitra. Ny tsy fisian'io no mampisalasala ny maro, eo amin'ny raharaham-pirenena, satria misy ny milaza fa mpiray diha amin'ny fitondrana nefa toa manohitra ny olona hiarahany. Ny mampalahelo, dia misy amin'ny mpanohitra eto Madagasikara mbola tsy manaiky fa i Ravalomanana no filoha, nefa izao tontolo izao aza manaiky azy. Tokony ahalala menatra izy ireo amin'izany.
Ny Grad sy ny fitanterana
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mitaintaina ny olona tratra hariva. Vokatry ireo, dia tokony hipetraka ny Bus amin'ny alina. Ireo no hitatitra olona mody amin'ny hariva. Ny fiara mpitatitra vahoaka amin'ny atoandro izany hitsahatra amin'ny asany rehefa tonga ny ora hodiany. Io dia heverina hanomboka amin'ny 7ora hariva ka hatramin'ny 12ora alina. Mbola hangataka fihaonana amin'ny ben'ny tanana eto andrenivohitra izahay hoy ingahy Rabetsintonta. Momba ity renivohitra ity, sy ny tetik'asa momba ilay fanitarana ny renivohitra, dia tokony hijoro ny vaomiera manokana hiarahan'ny fanjakana sy ny kaominina mandinika izany. Tsy vitan'ny kaominina eto andrenivohitra ireo io, ka izay no hilana ity vaomiera ity. Tsy adinon'ity antoko Grad ity no namelabelatra ny momba ny fambolena izay tetika iray hisorohana ny mety hitrangan'ny krizy ara-tsakafo eran'izao tontolo izao. Isan'ny tratran'io isika eto Madagasikara. Ny firosoana bebe kokoa amin'ny fampitomboana ny sehatra ny fambolena no vaha-olana. Hatsaraina ny masom-boly sy ny zezika. Hampitomboina ny fahaiza-manaon'ny tantsaha mba hamokatra bebe kokoa.
Ny fampianarana
Mahamenatra ny filazana fa hamotika ny taranaka ny fidirana amin'ny rafim-pampianarana vaovao. Ny tenin-dreny ve hanimba ny zaza malagasy ? Tokony hipetraka ny hambom-po, ary alaviro ny resaka adim-poko, momba ny teny ho enti-mampianatra. Tokony hipetraka ao anatin'ny roa taona ihany koa ny fampianarana ny ankizy hiasa. Toy ny mitana angady, mianatra mandrafitra sy mamboly. Lalana iray ahafahana mankany amin'ny fampandrosoana io. afaka mamorona asa avy hatrany ny tanora rehefa mijanona amin'n y fianarany. Ireo no ampahan-dresaka nataon'ity antoko Grad Ity omaly raha nihaona tamin'ny mpanao gazety izy ireo. Raha tarafin'ny maro, dia ny hevitra toy izao no karazana takalo tamin'ny fahazoan'ity antoko ity ny toeran'ny loholona etsy Anosikely.




Tsy fanariam-pako...
Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin'ny boaty io nandraisan'ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin'ny ankapobeny dia an'ny sinoa ny 90ùn'ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan'entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin'ny sehatry ny tsena iraisam-pirenena aza dia tafiditra eto. Saika an-tsokosoko no nidiran'ny entana sasany taloha, fa manomboka izao dia tsy handaitra izany, araka ny tenin'ny filoham-pirenena. Mety hisy ihany aloha ny ronono avy any amin'ny firenen-kafa, hahazo alalana manokana rehefa voaara-mason'ny tompon'andraikitra.
Na dia ho sarotra aza ny asa eto dia tsara iny fandraisana fanapahan-kevitra iny. Farafaharatsiny mba mihena ny fidiran'ny entana an-tsokosoko. Ny tsena iraisam-pirenena tahaka itony moa dia sarotra araha-maso ihany. Aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana no tena fifaharan'ny entana tsy manarapenitra sasany any ivelany any, ary tsy ny ronono ihany fa saika ny entana ilaina amin'ny andavanandro rehetra. Anjaran'ny malagasy mpanjifa no mamantatra ny entana vidiany fa efa mba nanao ny adidiny ny fanjakana.




Tsy mahay mampiasa fahefana
Toa rano nararaka andamosin-gana fotsiny ny fampiofanana natao ho an'ny ben'ny tanana teny Iavoloha farany teo. Tsapa io amin'ny mbola tsy fahaizan'ny ben'ny tanana miasa amin'ny sehatra maro isan-karazany. Ny fitantanam-bola sy ny fotodrafitr'asa isan-karazany, dia mbola mila fampiofanana betsaka izy ireny.
Misy amin'ireo kaominina eto amintsika no tsy mahafantatra ny teti-bola ao aminy. Ny vola nomen'ny fitondram-panjakana Ar 9 tapitrisa aza mbola tsy nohetsehina. Tsy mbola hita hono ny hampiasana azy. Ny fandresen-dahatra ny vahoaka hiara-mientana tsy misy. Raha vao misy olom-panjakana mandalo anefa eny anivon'ireny kaominina ireny, dia ny mangataka fanampiana hatrany no atao. Soa fa nahay nametraka ny fomba fiasa matotra ny teo anivon'ny fitsinjaram-pahefana. Mitarika ny ekipany hidina ifotony ny eo anivon'ny fitsinjaram-pahefana, tarihan'ny tale jeneraly Guy Rivo Randrianarisoa. Manentana ny ben'ny tanana sy ireo olom-panjakana maro mba hahay handamina ny asa tokony hatao eny anivon'ny vahoaka. Raha mitaky ireny hetra ireny, dia mila ampahafantarina amin'ny vahoaka ny nampiasaina azy. Indrindra ireo asa maika tokony ho atao, fa tsy ho tompon-trano mihono hatrany izy ireny. Tsapa io tao amin'ny kaominina Analavory, izay roa volana monja tao aorian'ny nidinan'izy ireo ifotony, dia efa tafakatra hatrany amin'ny 70% mitaha amin'ny teo aloha ny vola ao amin'ny kitapon'ny kaominina. Misy tsy mahay mampiasa ny fahefana napetraky ny vahoaka taminy. Sa natao andrakandrana fotsiny ny nilatsahana ho ben'ny tanana ?




Raharaha Imerintsiatosika
Olona folo naiditra am-ponja vonjimaika
Naharitra hatramin'ny folo alina ny faharetan'ny fakàna ambavany tamin'ny fampanoavana tao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo ny alarobia lasa teo. Ny raharaha fandrobana sy fandorana tokantranona mpanangom-bokatra tao imerintsiatosika noheverina fa mpangala-jaza no antony. Ny folo tamin'izy ireo no nampidirana amponja vonjimaika, iray vehivavy. Ny 11 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Anisan'izany ilay ramatoa nilaza fa manan-janaka notazonina kanefa tsy nisy izany akory. Araka ny fanadihadihana dia io ramatoa io no nitarika ny olona hanao fandrobana. Saika ireo olona nandroba fanana sy nandoro trano avokoa ireo nigadra ireo. Ilay raharaha ala-jaza miisa valo kosa dia voalaza tamin'izany fa tsy marim-pototra taorian'ny fakàna ambavany fa hiakatra fitsaràna tsy ho ela ihany koa. Tamin'ny 4 jolay teo no nitranga ny korontana. May ny trano fonenan'i Rabezanahary Modeste, tompon'ny mpitatitra "Zaza mila vola". Nahatratra zaza nianika tamboho saika hangalatra piesina fiara ny tompontrano tamin'izany. Rehefa tonga ny ray amandrenin'ny zaza dia nolazain'olona fa mpangala-jaza izy ireo ka nirohotra nandroba sy nandoro ny fananany ny mponina. Fiara vaventy roa sy fiara madinika telo no may tamin'izany, vola 75 tapitrisa ariary no voalaza fa nanjavona nandritra izany. Tsy voasakan'ny polisy sy ny zandary izany na dia efa nanatevin-daharahana ny mpitandro ny filaminana manokana avy aty Antananarivo, ny avy any Arivonimamo sy Miarinarivo. Tsy tafiditra tao an-tanàna noho ny tora-bato koa ny fiaraben'ny pompier saika hamono afo tamin'izany.




Faritra Alaotra Mangoro
Voasoloky ireo tantsaha mpamokatra
Misy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana na ONG misoloky ao tanambe, distrikan'Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Miara-miasa amin'ny federasion'ny fikambanan'ny tantsaha izy ka naka vola iray tapitrisa ariary isaky ny fikambanana hividianan fitaovam-pamokarana toy ny kibota. Efa tamin'ny taon-dasa no nitrangan'izany. Iray volana ihany anefa no fepotoana nolazain'ity ONG ity fa hahatongavan'ny fitaovana kanefa tsy misy hatramin'izao. Nolazainy fa efa ao amin'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana avokoa ireo fitaovana ireo. Tsy misy akory izany rehefa nojerena tao amin'ny minisitera.
Nitaky ny hamerenana ny volany ireo tantsaha rehefa tsy azo ny fitaovana. Nanome taratasim-bola any amin'ny banky na chèque ny tomponandrikitra kanefa tsy misy kaonty akory ilay banky. Manao antso avo ny manam-pahefana ny solombavambahoakan'Amparafaravola, Randriamboahangy Félix mba hijery akaiky izao raharaha izao fa mijaly ny mponina.
Manomboka mitaky ny volany koa ankehitriny ireo sehatra (toy ny Otiv) nisamboran'ny tantsaha ny vola mba hamenoana ilay iray tapitrisa ariary.
Tsy ny ao Tanambe ihany no nisamndohan'ity Ong ity fa hatrany Andilamena koa. Ny faritra Alaotra Mangoro ihany koa efa nangalàny vola araka ny fantatra. Saika hanaganana toha-drano izany kanefa tsy misy akory hatramin'izao.




Mampihorohoro, mampihoron-koditra
Mahetsaka, mahavalalanina, mahaketraketraka. Ireo ny teny avoaky ny vavan'ireo mpanara-baovao eto an-toerana raha mandinika ny fizotry ny raharaham-pirenena. Toa misy milaza ho kivy mihitsy. Indrindra raha mijery ny fihetsiky ny mpitondra sy mpiara-miasa amin'ny filoham-pirenena. Hafa ny tenenin'ny filoha, nefa toa hafa mihitsy ny lazaina sy ataon'ny mpanampy azy sy mpanatanteraka akaiky.
Toa mivadika ho fotsy ny mainty ary toa manao izay hampangidy hoditra ny filoha mihitsy aza matetika.
Isan'ny zavatra lehibe sy goavana indrindra ity fandriampahalemana ity nefa dia toa misy faly mampiady ireo ankolafin'ny mpitandro izany filaminana izany. Toa malaza mahay lalàna nefa toa mampieritreritra be ihany ny zava-nitranga tamin'ny faramparan'ny herinandro lasa teo. Lasa saina tokoa ny maro fa manana endrika maro ity fampihorohorona ity. Asa aloha raha hisy fiantraikany amin'ny fijerin'ny mpitsara ny raharaha Bôlô ireny vaovao tamin'ny faran'ny herinandro ireny fa dia tena nihorohoro mihitsy ny mpanara-baovao raha nahita ireny tranga ireny. Inona marina no tanjona tamin'ireny ? Tsy mazava. Misavorovoro ny saina ary mampihoron-koditra, ny teny mahalaza ny fihetsem-po tamin'ireny.
Ny azo antoka dia ny fihetsika maneho fahefana tafahoatry ny eritreritra (entendement) sy tsy mitsinjo fa ny olona dia vatana sy saina ary fanahy ary malagasy no iresahana dia isan'ny fampihorohorona. Isan'izany fampihorohorona izany koa ny manao tsindrio fa lavo sy didiko fe-lehibe tsy amin'antony. Ny fandrangarangana fa manana fahefana ary afaka mampiasa izany na dia tsy amin'ny laoniny aza. Ny fitompoana teny fatratra, tsy manaiky ho diso na tsy mihaino ny hevitry ny sasany fa manao tian-kano tsy tian-kano dia azo lazaina fa isan'ny fampihorohorona ihany koa.
Raha tsorina dia ny fahefana tsy amim-pahendrena dia fampihorohorona ihany koa, ankoatra ireo efa voambara ao anatin'ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana.




Mihorohoro
Nalazalaza ity resaka momba ny « fampihorohoroana » ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an'io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan'ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin'ny ankamaroan'ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka « baomba » eny amin'ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon'ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka ain'olona betsaka.
Mila hifangaro amin'ny resaka fanonganam-panjakana nokasain'ny sasany hatao teto anefa izany. Afangaron'ny sasany amin'ny resaka politika anatin'i Madagasikara ihany koa. Toa samy manana ny famaritany azy ka izay fihetsika ataon'ny fanjakana dia « fampihorohoroana » izay.
Tsy azo lavina kosa anefa ny mety hisian'ny tsy filaminana politika eto amin'ny firenena. Fantatra eran-tany fa saika tsy milamina ara-politika ny tany mamokatra harena an-kibon'ny tany, indrindra fa ny fananana solika. Ao anatiny indrindra ny eto an-toerana, ka asa na anisan'ny arofanina sahady ny firesahana ity asa fampihorohoroana ity.




Antsiranana
Tranom-bazaha iray no may
Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan'ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin'ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin'ny trano iray anatin'ny tanana'ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan'ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan'ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin'ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin'ny ADEMA. Voavonjy ny afo, ary toa vao mainka nampisehoan'ity vazaha ny hambom-pony ny vahoaka ka nampisehoany ny fahaizany miavonavona.
Etsy ankilany kosa dia mbola tsy tonga ny fiara famonjena hain-trano avy atsy amin'ny Nosy La Réunion. Efa nanolo-tanana amin'ny fanafainganana ny fahatongavan'io any Antsiranana ny praiminisitra tamin'ny fotoana nandalovany tany, saingy nambaran'ny ben'ny tanana tamin'izay fotoana izay fa vitany haingana io. Marihana anefa fa toa tsy sarotra ny mamoaka ny entana eny amin'ny ladoany satria tsy andoavana haban-tseranana ny entana tahaka itony.




Raharaha Bôlô
30 volana an-tranomaizina
Tsy araka ny nampoizina ny sazy navoakan'ny fitsarana omaly tetsy Anosy momba ny raharaha Bolo. 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina no azon-dry Bolo sy ny namany izay miisa 11. Raharaha izay tafiditra amin'ny resaka fanonganam-panjakana izay saika atao nanomboka ny taona 2006.
Nampakatra fitsarana ambony ireo mpisolo vava ny voampanga, manoloana iny didy nivoaka omaly iny. Tsy araka ny nampoizina hoy ny maro ny didy nivoaka, satria maro no nihevitra fa sazy mandram-pahafaty no ho azon'izy ireo. Raha ny fahitana tamin'ny haino aman-jery samy hafa momba ireo fitaovam-piadiana nasehon'ny zandary farany teo ireny ve tsy hitombina ny ahiahian'ny maro amin'izay sazy mafy be izay. Masi-mandidy amin'ny didy avoakany anefa ny fitsarana, ary miandry izay ho tohin'ny raharaha indray ny rehetra.




Valalan'amboa
Nitotorebika ny maro nandritra ny fetin'ny Oktoberfest, ny sabotsy teo tetsy Mahamasina. Fety izay nilaharan'ny vahoaka Malagasy tokoa, ka ny fifaliana miaraka amin'ny labiera sy ny tsakitsaky isan-karazany no tena nisongadina. Teo ihany koa ny mpanakanto maro samy hafa izay nanafana ny fotoana.
Kolontsaina vahiny izy ity, nefa hita fa mahazo laka tokoa eto Madagasikara, raha iny andiany faha-dimy iny no asian-teny. Fa mby aiza kosa ny fanajantsika ny kolontsaina Malagasy ? Nandritra ny iray volan'ny teny malagasy aza, zara raha nisy olona niara-nankalaza izany. Ny hafa moa dia toy ny tsy misy ny fieritreretany azy. Sodokan'ny kolontsaina vahiny isika ka lasa valalan'amboa ny an'ny tena. Ny eto ampovoan-tany no tena tsy taitra amin'iny. Misy koa anefa ny faritra hafa, izay tsy mitsahatra manandratra ny fomba amam-panao any aminy. Isan'io ny resaka volambetohaka izay hisongadinan'ireo fomba betsileo. Ao Ambositra no tena ahitana izany ? Ny Donia izay atao any Anosibe isan-taona. Arakaraky ny fahaizan'ny mpanentana mihetsika ihany koa no mampisongadina itony kolontsaina itony, izay antenaina ny hisian'ny fiaraha-mientan'ny malagasy rehetra amin'ny sehatra toy ny tamin'ny Oktoberfest farany teo.




Ny vadiny :
RASOAZANANY Julienne
Ny zanany :
RAZAFINOELISON Eva
ANDRIAMADISOA Martial sy RAZAFINOELISON Liliane (France)
RAINIZANAMASIHARISOA Delphin sy RAZAFINOELISON Juliana
RAZAFINOELSON Fréderic Jules
RAZAKARIVOAVY Franklin sy RAZAFINOELISON Julie Irène
Ny zafikeliny rehetra, ny fianakaviana manontolo dia manolotra fisaorana feno, fankasitrahana anareo rehetra : havana, tapaka sy namana, mpiara-mivavaka, mpiara-monina, mpiara-miasa tonga maro nidodododo nampionona sy nankahery azy ireo tamin'ny namohizana ny ray malalany :
Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitia anareo. Dia miala tsiny indrindra ho anareo izay tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.




Amin'ny finoana sy fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesany anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata faha-7 oktobra 2008
Hoy,
Ny vadiny :
Franck RAHARISON
Ny reniny :
Ramamonjisoa Christine
Ny Zanany :
Thierry RAHARISON sy Haga Niaina sy ny zanany
Christophe RAHARISON sy Mireille sy ny zanany
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy Ramamonjisoa Gaby sy Mireille Razafindrazaka
Ramamonjisoa Eric sy Voahangy sy ny zanaka aman-jafiny
Ramamonjisoa Christian sy Voahirana sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Jean-Louis Fégeat sy Liliane sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan'i Michel Chatelais sy ny zanaka aman-jafiny
Eva Nobis sy ny zanaka aman-jafiny
Dorothée Blanc sy ny zanany
Caroline Blanc sy ny zanany
Ny terak'Itompokolahy Dr Ramamonjisoa sy Razafimalao
Teraky Randriamiarisoa Justin sy Raveloarisoa Victoire
Terak'Itompokolahy Rajaonson sy Rasoarivao
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny FID
Ny mpiara-miasa ao amin'ny La Gazette de la Grande Ile
Ny fokontany Mandrosoa Ivato
Ny fokontany Soarano
Ny fokontany Ambodifahitra
Ny Fiangonana Paroisse Internationale Andohalo
Ny FJKM Ambodifahitra Maritiora
Ny EKAR Soamiandalana
Ny nofony dia ho entina miala ao amin'ny tranony Lot 249 MC bis « Villa Manohisoa » Mandrosoa Ivato ny zoma 10 Oktobra 2008 amin'ny 12 ora atoandro , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Paroisse Internationale Andohalo avy eo dia hapetraka any amin'ny fasan-drazany ao Ambatobe Analamahitsy.




Iza no ambadika ny hetsika ?
Tora-kovitra ny maro, mandre, fa miketrika hetsika indray ny mpianatra etsy Ankatso. Tafiditra ao anatin'ny fotoana hanaovan'ny mpianatra fanadinana hidirana eny Ankatso izao hetsika fanadinana izao.
Raha vao ny mpianatra no mihetsika, dia ny tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fanontaniana izay ao ambadik'ireny hetsika ireny. Eo mazana no mampahomby na tsia ilay hetsika. Nilaza sahady anefa ny mpanohitra sasany, fa tsy misy hidirany amin'izao fikasana hanao hetsika izao. Manana ny maharary azy ireo mpianatra ireo, ka anjarany no mitaky izany. Hanao ahoana ny mety ho avin'ity taom-pianarana vao 2009 ity raha vao ety ampanombohana dia efa manangasanga ny fitokonana ?
Heno fa misy ny fidinan'ny solontenan'ny mpianatra any amin'ny oniversite enina eto Madagasikara, izay manazava ny sain'ny mpianatra amin'ny fitakiana izay ho ataon'izy ireo. Ho hita eo ny mety ho tohin'ity raharaha ity, fa ny hirariana, dia ny hisian'ny fitonian-tsaina eo amin'ny mpianatra, mba ho tonjo hatramin'ny farany ny fianarana ataony.




Antoko Fihavanantsika
Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika
Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason'ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. "Manahy ny mety ho avin'ny firenena malagasy izahay ato amin'ny antoko Fihavanantsika", hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin'ny birao politika.
Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin'ny toho-drano no atao. Mora kokoa io, ary afahana manangana barazy maro raha ampihaina amin'ny toby nokleary. Mampalahelo ankehitriny, fa zara raha misy 1% amin'ireo harena voatrandraka eto no miditra amin'ny vahoaka malagasy. Namaly an'ingahy Tovonanahary Rabetsitonta ihany koa izy, izay milaza fa mihatsara ny toe-karena malagasy, satria niakatra 7,1% ny harinkarena faobe. Mifandraika amin'izany ve ny tena zava-misy hiainan'ny malagasy amin'izao vahoaka eto ? Tsara ny milaza fa ity antoko ity, dia ny Pasitera Daniel Rajakaoba no filohany, izay efa nilatsaka ho filoham-pirenena nandritra ny fifidianana in-droa nifanesy.




Làlam-pirenena faha 44
Misy manafika ny fiara mpitatitra
Manjaka ny tsy filaminana amin'ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an'Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon'ny jiolahy amin'ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra mankany Ambatondrazaka. Eo no miara-miainga manao "caravane". Indroa isan'andro no hifampiandrasana eo Moramanga. Manararaotra manaraka ireny "caravane" ireny kosa ny fiaran'olon-tsotra, satria maro amin'izy ireny koa no lasibatra.
Ho avy ny fahavaratra ! Eny amin'ny làlana ratsy no famelezan'ireo mpisakan-dàlana. Anisan'ny saro-dàlana ny mankany Ambatondrazaka rehefa fahavaratra. Izao main-tany izao anefa dia efa sahy manao ny ataony ireo dahalo ka ahiana ho mafimafy izany amin'ny firotsahan'ny orana.




Amin'ny finoana sy fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesany anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata faha-7 oktobra 2008
Hoy,
Ny vadiny :
Franck RAHARISON
Ny reniny :
Ramamonjisoa Christine
Ny Zanany :
Thierry RAHARISON sy Haga Niaina sy ny zanany
Christophe RAHARISON sy Mireille sy ny zanany
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy Ramamonjisoa Gaby sy Mireille Razafindrazaka
Ramamonjisoa Eric sy Voahangy sy ny zanaka aman-jafiny
Ramamonjisoa Christian sy Voahirana sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Jean-Louis Fégeat sy Liliane sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan'i Michel Chatelais sy ny zanaka aman-jafiny
Eva Nobis sy ny zanaka aman-jafiny
Dorothée Blanc sy ny zanany
Caroline Blanc sy ny zanany
Ny terak'Itompokolahy Dr Ramamonjisoa sy Razafimalao
Teraky Randriamiarisoa Justin sy Raveloarisoa Victoire
Terak'Itompokolahy Rajaonson sy Rasoarivao
Terak'Itompokolahy Andrianady sy Itkv Ravelonjamina
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny FID
Ny mpiara-miasa ao amin'ny La Gazette de la Grande Ile
Ny fokontany Mandrosoa Ivato
Ny fokontany Soarano
Ny fokontany Ambodifahitra
Ny fokontany Ambatobe Analamahitsy
Ny FJKM Paroisse Internationale Andohalo
Ny FJKM Ambodifahitra Maritiora
Ny EKAR Soamiandalana
Ny FJKM Tranovato Faravohitra
Chorale de la PRIMATURE
Chorale ARC-EN-CIEL
Chorale AMBOARAMPEO FARAVOHITRA
Ny nofony dia ho entina miala ao amin'ny tranony Lot 249 MC bis « Villa Manohisoa » Mandrosoa Ivato ny zoma 10 Oktobra 2008 amin'ny 12 ora atoandro , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Paroisse Internationale Andohalo avy eo dia hapetraka any amin'ny fasan-drazany ao Ambatobe Analamahitsy.
« Mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; Eny Mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho »
(Isaia 41:10b)




Fitsaboana amin'ny fanjaitra volamena
Efa misy sampan-draharaha etsy Befelatanana
Tsy mila mandeha lavitra intsony ankehitriny raha hanao « acupuncture » na ilay antsoina hoe « tsindrona volamena ». Efa misy sampan-draharaha misahana izany ao amin'ny INSPC Befelatànana. Dokotera avokoa no manatanteraka ny fitsaboana.
Fanairana ny vatana hampirindra ny tsy fifandanjan-kery ao aminy no antony hanaovana ny tsindrona volamena na "acupuncture". Tsy ara-dalàna mantsy ny fikorianan'ny angovo na ny hery amin'ny vatana, ka izany no mahatonga ilay aretina. Aretina maro no sitran'ity "acupuncture" ity, toy ny sohika, allergie, AVC, sy ny maro hafa. Teboka 600 hatramin'ny 900 amin'ny vatan'olombelona no hahafahana manao izany. Manomboka eny amin'ny loha hatrany amin'ny faladia no misy ireo teboka ireo.
15 minitra
Miankina amin'ny aretina mahazo ilay olona kosa no hahafahana mamantatra ny teboka asiana ny fanjaitra. Maharitra 15 minitra farafahakeliny ny fitsaboana iray. Miankina amin'ny aretina ihany koa ny isan'ny andro hanaovana ny fitsaboana. Nanambara Ratianarimaindramanana Evelyne, dokotera tompon'andraikitra ao amin'ity sampan-draharaha ity, fa irony tapaka lalan-drà, mivilam-bava irony aza, sitran'io fitsaboana io. Miankina amin'ny fotoana nisehoan'ilay aretina sy ny tahany kosa ny fetran'ny fitsaboana. Raha sohika ohatra, dia tsy maintsy manaraka ny fitsaboana mandritra ny 10 andro ny marary, ary mamerina in-telo izany avy eo. Ar 2000 monja isaky ny mitsabo no aloan'ny marary, izany hoe, raha maharitra 10 andro ny fitsaboana, dia Ar 2 alina no homanina. Tsy voatery aloha miaraka izany.
Karazany telo ny fomba hahafahana mitsabo amin'ity "acupuncture" ity. Ny tsindrona, ny voan'anana, ary ny "moxa." Soritr'aretina vokatry ny korontana ao amin'ny vatana na ny soritr'aretina mitaiza, dia voatsabo amin'ny alalan'ity fitsaboana ity daholo. Marihana fa fitsaboana nentim-paharazan-dry zareo Sinoa izy ity. Anisan'ny tanjona napetraky ny OMS ihany koa ny fanamafisana ny fampiharana ny fitsaboana nentim-paharazana. Dokotera efa niasa nandritra ny 4 taona avokoa no niverina nianatra nandritra ny 2 taona, ny fomba fanatanterahana ity fitsaboana ity, ao Befelatanana.Azon'ny rehetra atonina.




Fanotofana eny Andohatapenaka
Mitovy ny tany Vohidiala Ambatondrazaka, hoy ny Leader Fanilo
Tokony hisy mangarahara ny fanotofana tany atao eny amin'ny Route Digue eny Andohatapenaka hoy ny Leader Fanilo. Iza ny orinasa tsy miankina volaza fa hiaraka amin'ny fanjakana hanatanteraka azy ao anatin'ilay ny 3P. Iza no mamatsy vola izany ? Misy fifanoherany koa ny fanazavan'ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny filoha Ravalomanana marc. Ny misnitra nilaza fa hanganana trano fonenana na logements sociaux ny tany. Ny filohampirenena kosa nilaza fa hanganana orinasa manodina sakafom-biby. Iza no tena marina ? hoy ny Leader Fanilo.
Mitovy tahaka izao ihany ny raharaha nitranga tany Vohidiala Ambatondrazaka, Nolazaina fa hiarahan'ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina ny asa kanefa fantatra mazava taty aoriana ny orinasa tsy miankina tompon'izany. Sao toy izany koa ity Andohatapenaka ity.
Ny fanaganana orinasa manao praovandy apetraka eto antanan-dehibe koa manimba ny tontolo iainana.
Misy tantarany hatrany amin'ny mpanjaka Andranamapoinimerina ny lemaky Betsimitatatra mba hiarovana ny tanàna amin'ny fiakatry ny rano.
Noho izany, mandroso soso-kevitra ny Leader Fanilo, tokony afindra any amin'ny tany malalaka hafa lavitry ny tanàna sy tsy misy fonena'olona ny orinasa. Tokony tsy atakalo ny tombontsoan'olom-bitsy ny tombontsoan'ny vahoaka malagasy, hoy ny fanambarana.




Taitra ny matanjaka
Tsy maintsy hisitahana ireo orinasa an'ny fanjakana, raha te-ho tafavoaka amin'ny fahantrana. Fepetra napetraky ny mpamatsy vola sy ny firenena matanjaka amin'ireo firenena mahantra sy andala-pandrosoana ireo raha mbola te-ahazo ny fanampiana avy amin'izy ireo. Niroso tamin'izany i Madagasikara, ka ny Air Madagasikara sy ny Jirama irery sisa no tsy lasa notantanin'ny vahiny.
Mitsoka maneran-tany ny krizy ara-toe-karena. Voan'io avokoa ny firenena matanjaka. Latsaka ambany ny volan'izy ireo ka samy nandray fepetra mifanandrify amin'izany avy izy ireo. Isan'io ny famerenana ny volan'ireo mpametra-bola any amin'ny banky. Ny tsy famelana intsony ny famarotana ny orisana amin'ny vahiny, ka ny teratany no misahana izany. Io ilay antsoina hoe « nationalisation ». Tapitra hatreo ny resaka Privatisation. Indrisy anefa, fa efa tafalatsaka lalina amin'izany ny firenena madinika, toa an'i Madagasikara. Izao ve vao taitra amin'izany ny matanjaka ? Ny olana mahazo antsika anefa efa io hiarahana mahita io ? Tsy ho diso ihany angamba ny fikambanana hafa raha hilaza fa tsy tokony hiakin-doha be loatra amin'ireo vahiny ny ho avin'ny toe-karena malagasy. Manana manam-pahaizana maro isika, koa nahoana raha ireny no asaina miketrika, mba ampahomby ny fampandrosoana ? Ny vahiny aza mahatsapa fa diso ny làlana nombany teo aloha.




Amin'ny finoana sy fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesany anareo fa ny hava-malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata faha-7 oktobra 2008
Hoy,
Ny vadiny :
Franck RAHARISON
Ny reniny :
Ramamonjisoa Christine
Ny Zanany :
Thierry RAHARISON sy Haga Niaina sy ny zanany
Christophe RAHARISON sy Mireille sy ny zanany
Ny iray tampo aminy :
Terak'Itompokolahy Ramamonjisoa Gaby sy Mireille Razafindrazaka
Ramamonjisoa Eric sy Voahangy sy ny zanaka aman-jafiny
Ramamonjisoa Christian sy Voahirana sy ny zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Jean-Louis Fégeat sy Liliane sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan'i Michel Chatelais sy ny zanaka aman-jafiny
Eva Nobis sy ny zanaka aman-jafiny
Dorothée Blanc sy ny zanany
Caroline Blanc sy ny zanany
Ny terak'Itompokolahy Dr Ramamonjisoa sy Razafimalao
Teraky Randriamiarisoa Justin sy Raveloarisoa Victoire
Terak'Itompokolahy Rajaonson sy Rasoarivao
Terak'Itompokolahy Andrianady sy Itkv Ravelonjamina
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny FID
Ny mpiara-miasa ao amin'ny La Gazette de la Grande Ile
Ny fokontany Mandrosoa Ivato
Ny fokontany Soarano
Ny fokontany Ambodifahitra
Ny fokontany Ambatobe Analamahitsy
Ny FJKM Paroisse Internationale Andohalo
Ny FJKM Ambodifahitra Maritiora
Ny EKAR Soamiandalana
Ny FJKM Tranovato Faravohitra
Chorale de la PRIMATURE
Chorale ARC-EN-CIEL
Chorale AMBOARAMPEO FARAVOHITRA
Ny nofony dia ho entina miala ao amin'ny tranony Lot 249 MC bis « Villa Manohisoa » Mandrosoa Ivato ny zoma 10 Oktobra 2008 amin'ny 12 ora atoandro , hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Paroisse Internationale Andohalo avy eo dia hapetraka any amin'ny fasan-drazany ao Ambatobe Analamahitsy.
« Mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; Eny Mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho ».
(Isaia 41:10b)




Hozatra ambavan'antitra
Ady amin'ny mosary no tanjona, ka izay tany azo volena, dia atao avokoa, sitrany ahay vaza mihetsika rehefa vokatra ny natsatoka. Nipoitra ny resaka fanotofan-tany tetsy amin'ny digue ary samy nandray ny tandrifiny azy avokoa ny rehetra. Ny mpanao politika no tena niditra lalindalina kokoa tamin'io. Toy ny hozatra ambavan'antitra izy ity ka samy mandrirotra izay tandrify azy. Ny mpanohitra dia ireny niarahana nahita ireny ny fanehoan-kevitra nataony. Eny fa ny amiraly Ratsiraka efa nipetraka tany ivelany aza tsy tafandry mandry ka nilaza ny heviny. Ny hafa indray, dia nangoraka ireo olona efa nonina sy namboly teo nandritra ny taona maro, saingy ho lasa orinasa fanodinana sakafom-biby indray izy io.
Raha atao amin'ny saina tsy miangatra tokoa, nahoana no io tany io no totofana, nefa maro ny honahona azo totofana tsara ka hananganana ozinina goavana eto an-drenivohitra ? Raisina amin'izany ny etsy Anosipatrana, manatrika ny digue ho any Anosizato iny ? Ny etsy Andohatapenaka ambadiky ny mpanao fatapera, dia ahitana toerana malalaka ihany koa. Sady tsy mamokatra ireo tany ireo no zary fanarian'ny olona ny malotony. Hevitra atsipy ho an'ny manam-panahy rehetra izany, fa maha-kely finoana ny maro ny mbola andeha hamboly raha toa ka toy izao hatrany no miantra amin'izy ireo. Indrindra fa tafiditra amin'ilay ady atao amin'ny mosary maneran-tany isika eto Madagasikara.




Elia Ravelomanantsoa
Mbola fanoherana tamin-dRatsiraka no misy
Tsy ampy, fa tsy hoe tsy mety tanteraka ny asa miantraika amin'ny vahoaka eto. Midika izany, fa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra fa tsy hialangalana. Tsy voatery hiaraka hitondra amin'ny fitondrana izany. Manana anjara fanabeazana ny mpanao politika ka ho ezahin'ny antoko « Madagasikarantsika » tarihan-dRtoa Elia Ravelomanantsoa.
Nambarany fa nomen'ny vahoaka fahefana hitondra ireo mpitantanana ankehitriny. Manaja izany ity antoko ity. Ny antoko misy an'i Elia Ravelomantsoa, dia mandinika, miteny ny zavatra tsy mety, manampy amin'ny fampandrosoana, ary manabe. Mitaona ny vahoaka ihany koa ahafantatra ny fandraisainy andraikitra manoloana ny fiaraha-monina. Samy tompon'ity firenena ity isika rehetra, ka rariny raha tsy ho tompon-trano mihono amin'io ny Malagasy tsy vaky volo.
Raha ny hita ankehitriny, dia misy ny tsy fahaiza-mihaino. Tsy ho gaga isika raha mampiakam-peo ny mpanohitra. Na izany aza, dia mbola tsapa fa ny fomba fanoherana tamin'ny andron-dRatsiraka ihany no mbola miverina amin'izao fotoana izao. Toa manapotika ny ankamaroan'ny mpanao politika fa tsy mitaiza. Tsapa fa miseho sehatra avokoa ny ankamaroan'izy ireny. Ekena fa malahelo izy ireo amin'ny fanatotofana ny Betsimitatatra, sy ny fahantrana, ary ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana. Ireo anefa, dia ny vahoaka ihany no mahatsapa ny halalin'ny hevitra mivoaka. Mamporisika ny vehivavy handray andraikitra ny tenany, mba hanampy ny lehilahy eo amin'ny lafiny rehetra. Mila seham-pandalinana eto, ary miady hevitra. Raha tontosa io, dia azo antoka ny hafanam-po eo amin'ny maro hametraka izany Madagasikara ho an'ny fandrosoana.
Io indray izany no fanehoan-kevitra noentin'ity vehivahy tanora mpanao politika ity. Ny tsapa, dia samy maka ho azy ireo antoko maro eto. Ny tanjona iraisana dia ny ady amin'ny fahantrana, saingy misy kosa ny te-handrombaka seza ao anatin'ny fotoana fohy.




Vakinakaratra * Hydelec Sahanivotry
26 taona aty aorian'Andekaleka
Mpamokatra herin'aratra manana tanjaka 15 Mega VA, sy hery 6300 Volts, ary mamatsy ny tanànan'Antsirabe sy ny manodidina ny HYDELEC ao Sahanivotry. Ny praiministra lehiben'ny governemanta Charles Rabemananjara no tonga nitokana ity orinasa mpamokatra angovo sy herinaratra ity.
"Tonga ny mazava eto Sahanivotry, mihena ny aizina eto Vakinankaratra". Io no nisongadina tamin'ny kabarin'ireo manam-pahefana nandray fitenenana nandritran'ny lanonana fitokanana ny orinasa Hydelec mpamokatra angovo sy herinaratra ao Sahanivotry, distrika Antsirabe II faritra Vakinankaratra, ny zoma faha-10'ny volana oktobra lasa teo. 30 km atsimon'Antsirabe no misy ny Hydelec, manamorona indrindra ny lalam-pirenena faha-7. Manana tanjaka 15 mega VA ary hery hatramin'ny 6300 volts ny ao amin'ny hydelec. Mitentina 15 tapitrisa Euros ny asa ary ny "banky Afrikana momban'ny Fampandrosoana, ny BFV-SG ary ny Banky Morisianina momban'ny Varotra (Mauritius Commercial bank) no mpamatsy vola. 15 volana no niantombohan'ny asa, izany hoe ny volana jolay 2007. Ny riandranon'ny Miadana ,mirefy 2,60 km, avy amin'ny renirano Ampamehana no loharanon'ny angovo. Mitsofoka amin'ny fantsona 4,5 km milevina ambanin'ny tany, ary mitsinjara amin'ny tariby 19 km. Antsirabe sy ny manodidina no mahazo tombotsoa hatreto, fa efa ao anaty tetikasa ny famatsiana an'I Sahanivotry sy Manandona kaominina manodidina, atsy ho atsy. Ho voavaha ihany koa ny olan'Antananarivo amin'ny fahatapahanjiro fa hamatsy azy ny hydelec.
26 taona aty aoriana vao misy mpamokatra herinaratra vaovao taorian'ny ftokanana an'Andekaleka. Midika izany fa mitombo ny fampiasana ny herin'aratra nefa ny mpamokatra tsy misy fivoarana.Izany indrindra no nahatonga ny fanjakana nanome fahalalahana tanteraka eo amin'ny famokarana angovo mba hisian'ny fifaninanana ka ho afa-pahasahiranana ny vahoaka. Amin'izay fotoana izay dia ho tonga isam-baravarana ny fampandrosoana. Tsy adino teo ihany koa ireo ireo mpandraharaha vahiny noentanina mba hiara-hiasa sy hampiasa ny volana sy ny fahaizany amin'ny fananganana ny tahaka izao. Teo no nahaterahan'ny Hydelec ary izao no porofo mivaingana amin'ny fanatanterahana ny 3P na ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina.
Ny Praiminisitra lehiben'ny govenemanta no tonga nanome voninahitra ny fitokanana niaraka tamin'ireo manam-pahefana rehetra avy eto amin'ny faritra Vakinankaratra kosa dia notarihin'ny lehiben'ny faritra Etienne Randimbiharimanana.




Vary
350 Ariary ny kapoaka any Alaotra
Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin'izao fotoana alohan'ny fahavaratra izao. Raha ny any amin'ny faritra Alaotra, anisan'ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin'ny ar 380 ny vidin'ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin'ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan'andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin'ny fihinanana hanikotrana toy ny vomanga sy mangahazo ary katsaka, sns... Maro ny fianakaviana tsy mihinam-bary amin'ny antoandro fa vitan'ireo hanikotrana sy ny mitsakotsako eny an-dalana eny. Saika efa ahitana ny hanikotrana eny amoron-dalana eny, raha tokony ho any anatin'ny tsena no ahitana azy, araka ny mahazatra.
Hampaka-bidy
Ny vomanga aloha no mora indrindra satria ar 100 dia efa mahazo vomanga iray toko. Ny mangahazo lena kosa dia ar 200 ny iray toko, ary ny mangahazo maina dia ar 300 hatramin'ny ar 400 ny iray kilao. Inoana fa hampaka-bidy an'ireo sakafo ireo ny firotsahan'ny orana omaly teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha anaovana jery todika kosa ny lasa, dia tsikaritra tamin'ity taona 2008 ity fa tsy nandrenesana feo loatra ny hoe "kere" na tsy fisian'ny hanin-kohanina. Ny any amin'ny faritra atsimo no lasibatra amin'io isan-taona, saingy maro ny ezaka nanoherana izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fambolena apemba fotsiny. Nahitam-bokany ve anefa ireny fambolena isan-karazany ireny ? Tsy mionona amin'io tokoa mantsy ny any amorontsiraka fa saika efa mahalala ny teknika famokaram-bary sy legioma ary voly avotra samihafa.




Fivoriana an-tampony Afrikanina
Nanome tsiny ny mpanohitra ny Tim
Misy mitady hamboly koronta tsy ahatanteraka ny fivoriana an-tampony aty Afrika atao eto Madagasikara any ho any. Io no nambaran'iIngahy Mamy Rakotoarivelo ny asabotsy lasa teo.
Tombony lehibe ho antsika ny fandraisana ity fivoriana ity, satria hiompana any amin'ny lafiny toe-karena sy soasialy ny firenena. Hifantoka aty Madagasikara ihany koa ny mason'izao tontolo izao. Hiakatra ho amin'ny tsara ny lazan'i Madagasikara, ka tsy ho zakan'ny mpanohitra izany. Isan'ny voatsiahy amin'ny tombony hafa ihany koa ny fahavitan'ireo fotodrafitr'asa isan-karazany. Isan'io ny lalana mihazo eny Ivato, izay azon'ny fiara telo hifanenana. NY fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Ireo trano goavana handraisana ny fivoriana.
Nanamarika ireto mpikatroka ao amin'ny TIM ireto, fa hendry ny malagasy, ka tsy ho azo viraviraina amin'izany korontana izany intsony.




FJKM Anosipatrana
Mifandrafy ny mpino kristianina
Marary ny aim-panahin'ny fiangonana. Tsapa izany nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Anosipatrana omaly maraina. Nivoaka ny trano fivavahana ireo mpino maro, ary nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana ny pastora Ralijaona Noroharisoa amin'ny toerany.
Nigagam-bahoaka ny zava-niseho, satria moa va tsy irony mpanao politika midina etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai irony ireto vahoakan'Andriamanitra tetsy Anosipatrana ireto. Tsy nisy vavaka nandeha tamin'izay laoniny intsony, satria ny tao am-piangonana sy ny taty an-tokontany, dia samy nanao ny fotoam-pivavahany avy.
Raha tsiahivina ny tena fizotran'ny tantara, dia ny sabotsy 3 mai 2008 lasa teo no tao amin'ny FJKM Anosipatrana ny synodam-paritany andrefana, "SPAA", nandroaka ny mpitandrina tao an-toerana tsy hitondra io fiangonana io intsony. Nisy andian'olona tsy dia maro voalaza fa nitory ity mpitandrina am-perina'asa ity. Nalahelo ireto mpino, satria tsy mba nisy ny fanadihadiana natao momba ny fitorian'ireto olona ireto. Raha ny foto-dalàna FJKM no nanalana azy tsy dia olana hoy ireto vahoaka ireto, saingy ny halako bika tsy tiako tarehy no nampiharina. Tsy ho gaga ny maro raha raikitra toy izao ny disadisa io omaly io. Nitsofoka nandray antanana ny fiangonana indray ny pasitera Andrianatoandro Mamy avy ao amin'ny FJKM Anosibe Ziona, saingy toa tsy maha-tapaka ahitra hoy ireo mpino tafaresaka tamin'ny mpanao gazety omaly, ka ny hevitry ny SPAA 10 nitory ilay mpitandrina voalohany ihany no arahiny.
Voalaza fa isan'ny mpitandrina nahavita be ny pasitera Ralijaona Noroharisoa satria izy no anisan'ny nahavita ny fanitarana ny fiangonana, fiahiana ny fiangonana Ambohitrinilanitra FJKM. Teo ihany koa ny fijoroan'ny kolejy Milofo, sy ny fijoroan'ny trano ho an'ny Promofem sy ny Sampati.
Miantso ny fandraisana andraikitry ny foibe FJKM ireto mpino ireto, satria marary ny aim-panahin'ny vahoakan'Andriamanitra manoloana izao disadisa izao. Tsara ny milaza fa efa tsy nandray solon-tsakafo intsony ity mpitandrina ity nanomboka ny volana Aogositra 2008 teo.




Faharesena tsy nahataitra
Resy indray ny barean'i Madagasikara ny asabotsy lasa teo tany Cote d'Ivoire. Isa mavesatra 3 no 0 no nisarahan'ny roa tonta teo amin'ny 90 minitra, ora ara-dalana. Vita indray aloha hatreto ny dian'ity omby tsy manoto ity hiazo ny Can sy ny mondialy 2010. Na eo aza izany, dia fotoana tokony hakana lesona eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra izay lasa izay. Faharesena lava, ary raha mandresy indray mandeha, dia im-polo kosa no lavo. Tsy ho fanomezan-tsiny ny mpilalao izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny voninahim-pirenena izao, fa kosa aleo jerena ifotony ny asa tokony ho atao. Maro ireo mpilalao any ambany ravin'ahitra rehetra any, izay ilana fijerena manokana. Ampitomboana ihany koa ny sekoly ho an'ny baolina kitra, ary vatsiana fitaovana ari-fomba izy ireny. Tokony hipetraka toy ny raharaha-pirenena ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena maro isan-karazany. Io no lalana afahan'ny firenena any ivelany mahafantatra ity Madagasikara ity. Faharesena tsy nahataitra teo amin'ny mpitia ny baolina kitra malagasy iny vokatra iny. Maro no nilaza fa soa aza mba telo monja no tafiditra tamin-tsika raha ny lazan'ireo mpilalao narafitry ny Ivorianina teny ambony kianja no jerena.




Amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
Dia nantsoin'ny ny Ray hody any aminy ny sabotsy 11 octobre 2008 rehefa nivahiny 53 taona teto an-tany.
Hoy,
Ny vadiny :
BERA Narson (Narcisse)
Ny zanany :
ANDRIANARIBAKO Josia Narcisse mivady
SOLOMAMPIONONA Zo Narcisse mivady
ANDRIANARISOLOFO Rindra Narcisse
RAZAIARISOA Marie Laurence mivady
Ny zafiny :
RAMORAITSARA Asley
RAMORAITSARA Genie Cathucia
RAZAFINDRAKOTO Zo Maminirina
Ny iray tampo aminy :
RAZAFIARIVOLA Hélène sy ny zanany
RASOARIVOLA Honorine
RAKOTONIAINA mivady sy ny zanany
RASOARINORO Juliette sy ny zanany
RAVANOMANANA Bertin mivady sy ny zanany
RANDRIANARIMANANA Isidore mivady sy ny zanany
RAKOTONIRINA Edouard mivady sy zanany
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Professeur RADESA François de Sales mivady sy ny zanany
Pretra Lucien DESA
BOTO Eugène mivady sy ny zanany
CHRISTINE sy ny zanany
SAMBOMANA sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny Paositra Malagasy.
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Agence Centrale Epargne 67 ha.
Fokontany Anjezika II Andavamamba.
Fokontany Ambohimasina alakamisy.
Fiangonana Katolika Ambohimiharina Alakamisy.
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Andavamamba Anjezika II Lot III K 17 D ny alatsinainy 13 octobre 2008 izao amin'ny 12 ora sy 30mn atoandro , ary ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana katolika MD LIOKA Ambohimiharina Alakamisy , alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany Antsinanatsena Alakamisy Fenoarivo.
« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fiazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ».
(2 Timot 4, and 7)




Antsirabe * Andro iraisam-pirenena ho an'ny Fahitana
2020 : 75 tapitrisa no jamba raha tsy mitandrina
37 tapitrisa no isan'ny jamba manerana izao tontolo izao, 124 tapitrisa hafa no manana fahasahiranana ara-pahitana. Amin'ny taona 2020 hatahorana ny ahatonga io isa io ho 75 tapitrisa raha sanatria tsy misy ny fitandremana. Misy fihatraikany eo amin'ny fampandrosoana ny fitombon'io isa io satria lasa enta-mavesatra ny olona tokony hamokatra
Antsirabe no voafidy nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahitana ny Alakamisy lasa teo, hetsika nasionaly, fampirantiana ary fizahana maso maimaim-poana no tao anaty fandaharam-potoana. « Maso salama antoky ny ho avy » io no lohahevitra niompanan'ny fankalazana. Fantatra nandritra ny hetsika ary fa 160 000 ny Malagasy no manana fahasahiranana ara-pahitana ary 80 000 amin'ireo dia efa voan'ny areti-maso « cataract ». Betsaka izany isa izany ary raha tsy misy ny fepetra ho raisina dia hitombo tsy laitra izany amin'ny taona 2020. Manoloana izany dia efa miezaka ny fitondram-panjakana manao ny fanentanana amin'ny fanaovana fitiliana maro isan-karazany sy ny tsy hanaovan'ny tsirairay ambanin-javatra ny fahasalaman'ny maso, teo ihany koa ny fampitomboana ny manam-pahaizana manokana mikasika ny maso mba hananan'ny mpiray firenena fahasalamana feno ka ahafahany mandray anjara feno eo amin'ny fampandrosoana.
Mifampiankina tokoa ny fampandrosoana sy ny fahasalaman'ny maso satria raha misy jamba iray dia mihena na foana ny fahafahany mamokatra, ankoatr'izany mila olona iray hafa izy hanampy azy eo amin'ny fiainany ka tsy afa-mamokatra ihany koa. Mila arahi-maso noho izany ny fahasalaman'ny maso ary tokony hatao izany na tsy mahare marary maso aza na manana fahasahiranana vao hanatona mpitsabo.
Mila miara-misalahy
Eto Madagasikara dia efa matanjaka ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tsy miankina ary ny fiangonana eo amin'ny sehatry ny fitsaboana ny maso. Anisan'izany ny SALFA "Sampana Loterana Fahasalamana" izay manana toeram-pitsaboana maso 4 manerana ny nosy (Antsirabe, Antananarivo, Fianarantsoa ary Sambava), eo ihany koa CBM, ny Institut vision ary ny Lyon's sight First. Ezahina ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa ireo hoy ny talen'ny kabinetran'ny ministeran'ny fahasalamana tonga nanokatra izao fanamarihana izao mba ho mendrika aty amin'ny tany andalam-pandrosoana I Madagasikara amin'ny fiatrehana ity fahavoazan'ny fahitana ity.
Mifandray ary mifanindran-dalana amin'ny fahasahiranan'ny fahitana ny diabeta ka nisy ny fitiliana maimam-poana nandritra ny fanamarihana. Rehefa misy diabeta ny olona iray dia manomboka voa tsikelikely ny fahitany ka tokony ho mailo ny isam-batan'olona.Princia




Mifamahofaho ny resaka
Tsy misy manaiky lembenana ireo mpino krisitianina etsy amin'ny FJKM Anosipatrana. Ny antony dia samy mila ho tompon'ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Mifanosom-potaka tanteraka, ary samy milaza fa hampiakatra ny raharaha any amin'ny ambonimbony kokoa.
Resaka finoana izy ity ka manahirana. Tsy vao izao no ahitana tranga mampifanolana ny eo anivon'ny FJKM. Ireny niarahana nahita ireny ny fiafaran'ny teo anivon'ny FJKM Andravohangy fivavahana. Ny fiangonana maromaro teto an-drenivohitra, mbola teo anivon'ny FJKM ihany. Mizarazara ny finoana, na dia tokony hitambatra ho iray aza.
Zary manome vahana ireo finoana hafa ny toy izao, satria izay resy tsy mahazo rariny, dia ireny hiarahantsika ireny ny fanokafany seham-pinoana hafa. Dia mitombo indray ny sekta, hoy ny mpitazana. Andriamanitra iray ihany no hivavahana, nefa dia izao no hiafarany. Inona no fepetra ho raisin'ireto mpino etsy Anosipatrana ireto, raha toa ka tsy afaka miverina amin'ny toerany intsony ilay pasitera noesorina tamin'ny toerany ? Dia ho sanatria ve hiafara amin'ny fifandrafiana toy izao ny fanarahana an'i Jesosy Tompo ?




Feon-dakolosy hafa
Tsy devoly izahay ato amin'ny FJKM Anosipatrana
Malahelo izahay mpino, raha aparitaka amin'ny trakta eran'ny arabe fa devoly. Ny antony, dia mankasitraka ny fanovana ataon'ny synodam-paritra izahay, hoy izy ireo nitondra ny fanazavany, mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto amin'ity gazety ity.
Mitaky ny handraisan'ny foibe FJKM ny andraikiny izahay, hoy ireto mpino ireto, satria hankalaza ny faha-140 taona niorenany ny fiangonana. Atahorana ny hikatonan'ity fiangonana ity, satria efa manomboka ratsy ny fifanoherana eo amin'ny samy mpino. Saika nanome tsiny ireo kristianina nivoaka ny trano fiangonana ny alahady teo izy ireo, izay nambara fa tetika efa voahomana mialoha. Hanao ny voka-dehibe ireo vahoakan'Andriamanitra ireto ny alahady ho avy izao. Dia sanatria ve hoy izy ireo mbola ho voakorontana tahaka izao indray ny fotoam-pivavahana ho atao ? Ho hita eo ny mikasika izany, fa feon-dakolosy hafa indray ity asehontsika anio ity.
Momba ny lahatsoratra nivoaka teto omaly, dia ialan-tsiny fa Pastora Ralinjatovo Noroelisoa no izy fa tsy ilay voasoratra omaly. Ilana tsiny tamin'ny fahadisoam-panoratana.




Fivoriana an-tampony aty Afrika
Nomen'ny AKFM tsiny ny filoha
"Tsy nisy olona vonona hanakana io fivoriana io, fa ny fanemorana azy no tokony ho atao". Io no nambaran'ingahy Erick Rakotomanga, sekretera Jeneralin'ny antoko AKFM. Ny antony, dia mbola miaina ao anatin'ny fahasahiranana i Madagasikara. Gaga ity antoko ity, raha nanambara ny filoha fa nohamafisina ny resaka fandriam-pahalemana, noho ny fiomanana amin'io fivoriana an-tampony aty Afrika amin'ny volana Jolay 2009 io. Mitovy fomba fijery amin'itompokolahy Herizo Razafimahaleo izahay momba ny fomba fijery io fivoriana io. Ny antony dia na ireo trano fandraisam-bahiny sy ny fotodrafitr'asa isan-karazany aza, dia vola be no lany, nefa io fivoriana io fotsiny no hanaovana izany. Toa endrika fisehoana ivelany fotsiny izao mitranga izao hoy ny AKFM ka tsy ho gaga isika raha hisy hiteny fa didy jadona fotsiny no mitranga eto.




Nigadra noho ny kolikoly
Betsaka mitaky ny hamoahana ilay talen'ny asa vaventy
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Maintirano ny talem-paritry ny minisiteran'ny asa vaventy miasa ao amin'ny faritry Melaky ny faran'ny volana aogositra teo. Ny Bianco avy any Mahajanga no nidina tany an-toerana tamin'izay ka nisahana ny raharaha. Fitoriana maro dia maro no voarainy momba izany.
Ny 21 oktobra izao kosa ny fitsarana ao amin'ny tribonaly ao Maintirano ihany. Noho ny fitoriana maro amin'ny resaka kolikoly no antony mazava ho azy. Mpiasan'ny asa vaventy, ben'ny tanàna maro, mpandraharaha tompona orinasa mpanao lalana, ireo no nanao fitarainana noho ny fomba fiasany. Resaka Fisandohana, fampiasana hosoka ary fanodikodinambolam-panjakana no niampangana azy. Manana orinasa telo izy izay am-piasainy manao asam-panjakana, fanamboaran-dalana sy ny sisa. Saika ireo orinasany ireo avokoa no manao ny ankamaroan'ny asa rehetra. Betsaka ny fanelanelanana mitranga any ambadika any ankehitriny mitaky ny hamoahana ity talem-paritry ny asa-vaventy ity, toy ny ao amin'ny ministera misy azy, sy olona ambony hafa. Tsy mbola nosoloina koa io talem-paritra io hatramin'izao.
Ohatra nataony, mangalan-tsonian'ireo mpiasa mamita iraka izy, amin'ny tambin-karama natokana ho an'izany no hangalany vola. Na koa mamorona taratasy hafa ho an'ireo mpamita iraka. Tsy voarain'ilay olona ny vola. Ben'ny tanàna maro koa no nitory nohon'ny tsy fahavitan'ny asa. Manginy fotsiny ireo orinasa nahavita asa tsy nahazo vola na tara ny fandraisana ofisialy ny asa. Efa ela tokoa no nisian'ny fitarainana. Betsaka ny niakatra nitaraina taty amin'ny ministera kanefa very maina hatramin'izay. Nifanojo tamin'ny fidinan'ny Bianco tany an-toerana ny raharaha ka tsy afa-niala intsony ity talem-paritra ity.




Andrimasom-pokonolona
Ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana
Mitombo andro aman'alina ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mihorohoro ny ankamaroan'ny mponina raha vao manomboka maizina ny andro. Tsy misy azo hitokisana intsony, fa na ny fianankaviana akaiky aza mivadika rehefa tojo ny saina ratsy ny lohany. Ny mpitandro ny filaminana, dia misy ny miray tsikombakomba amin'ny ratsy, ka tsy vitsy no efa tafiditra am-ponja amin'izao fotoana izao.
Toa tsy azo hiateherana intsony ny lalàna hoy ny hafa, satria votsotra ny ankamaroan'ny mpanao ratsy raha vao tonga eny amin'ny fitsarana. Mihorohoro ny olona nanome vaovao momba ny mpanao ratsy satria mety hiaran'ny valifaty. Fepetra noraisin'ny fanjakana no hanadiovana ireo rehetra ireo. Maro ny ezaka efa vita ankehitriny, hisoroana ny tranga tahaka ireo voalaza ireo. Na eo aza anefa izany, dia ny tsapa mifampiahiahy ny manodidina. Tsy ho gaga isika raha maro amin'ny mponina any ambanivolo rehetra any no mametraka ny dina. Dina izay heverina fa antoky ny fandriam-pahalemana any amin'izy ireo. Tsy latsa-danja amin'izany koa ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona. Ny vaomieran'ny fandriam-pahalemana no mitarika izany eo amin'ny fokontany iray. Tsapa fa izay toerana nisy ity andrimasom-pokonolona ity, dia mihena ny asan-jiolahy ao amin'ilay faritra.
Marisarisa ny firaisan-kina
Mila entanina ny mponina isaky ny fokontany, mba hametraka ny firaisan-tsaina toy ny teo aloha. Hamerina indray ilay fomba fiteny hoe : « trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena hialofana ». Taloha, raha misy maty tao amin'ny fokontany iray, dia ny mponina iray vohitra no tonga miara-hory amin'ny tompo-manjo. Manangona vary iray kapoaka avy alefa ao amin'io manam-pahoriana io. Toa tsy mitoetra intsony io ankehitriny. Ny antony, araky ny voalaza etsy aloha, dia ny iray tanana aminao ihany no mifamely. Raha toa anefa tafaverina io fiara-monina milamina io, dia ho azo antoka fa hatanjaka noho ny tafika ny fiara-monina ao an-tanana. Ho rava ilay firaisan-kina marisarisa teo aloha. Miainga amin'io ihany koa no ahafahana mikatsaka miray saina hiara-mientana amin'ny sehatry ny fampandrosoana isam-paritra.
Ankehitriny, dia miezaka ny fanjakana ny hamerina ny hasin'ny tafika malagasy, mba hisian'ny fandriam-pahalemana milamina. Tsara izany, saingy tsy aleo ve aloha ny eny anivon'ny vahoaka no hanombohana izany. Izay ilay fampandrosoana miainga ifotony, ary hifampiaro ny iray tanana ho an'izay mihevitra ny hanisy ratsy ny mpiara-monina aminy. Sa ahoana ?




Nankaiza ny varin'ny TIM ?
Miditra amin'ny vanim-potoan'ny maintso ahitra isika izao. Miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Manomboka manao sakafo ambany foitra indray ny tsy manan-katao. Izao no fotoana ilàna ny vary amidy mora nataon'ny antoko tiako i Madagasikara, izay 950 ariary ny kilao.
Mifanontany ny rehetra fa nankaiza no tsy misy intsony izy io ? Sao mba mitombina tokoa hoy ny hafa ny filazan'ny maro manao hoe, natao hamonoana afo momba ny olana teo amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana fotsiny iny. Ekena fa tsy nahataitra ny maro ny nividy azy teny amin'ny fokontany, saingy nahavonjy ny olona sahirana kosa. Raha lany ny vary namidy mora teo iny, sao mba misy antoko hafa afaka manao izany indray ? Toy ny nitranga tamin'ireny fizarana kahie farany teo ireny. Izay mantsy no atao hoe fifaninanana masina. Ny antoko hiroborobo, ny vahoaka hifaly, ary ny mpivarotra tsy sahy hanondrotra ny entany, satria efa misy ny entana zaraim-potsiny sy ny vary amidy mora. Ho hita eo izay handimby ny TIM amin'ity fivarotana vary varo-mora ity.




« Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izao ahy ».
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny talata 14 oktobra 2008 teo amin'ny faha-79 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RASOANIRINA Merline
Ny zanany :
RAJAOBELINA Josoa sy Nilo
RASOANIRAINY Adolph sy Volana
ANDRIANJAFY Solofo sy Norosoa
ANDRIANJAFY Fidy sy Tiana
RASAMINAIVO Lanja sy Lanto
ANDRIAMBOAVONJY Michel sy Noro
Ny taizany :
RAVAONIRINA Olga
Ny zafiny : Mirana, Ravo, Ony sy Clarion, Nialy, Anja, Arinilo, Antsa, Fitia, Iranty, Ariaina, Iavosoa, Ilo.
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ary ny fianakaviana manontolo
Ny fokontany Cité Analamahitsy, ny fokontany Ambatotokana Ambohimangakely
Ny Fiangonana FJKM Ambatotokana Fitiavana, ny Fiangonana FJKM Analamahitsy
Ny Fiangonana FJKM Ambohitrantenaina, ny Fiangonana FJKM Antsahavola Fitiavana
Ny razana dia hiala ao an-tranony Cité Analamahitsy logt 393 ny zoma 17 oktobra 2008 amin'ny 1ora sy sasany tolakandro ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambatotokana Fitiavana alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambatotokana Ambohimangakely.
« Mahereza sy matanjaha ; aza matahotra na manahy azy ; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao ; tsy handao anao na hahafoy anao Izy »
(Deot 31 : 6)




Anosipatrana FJKM
« Tsy hanaiky lembenana amin'ny tsy rariny izahay vahoakan'Andriamanitra »
Ny tsara ho fantatra momba ny tsy rariny ato
« Heverina fa mety ny maneho an-gazety ny zava-misy marina momba ny raharaha ao amin'ny fiangonana Anosipatrana FJKM ankehitriny. Voatery mivoaka an-gazety mantsy izany raharaha izany satria tsy zakan'ny fiangonana intsony ny amboletra tsy ara-dàlana ataon'ireo mpitandrina biraon'ny SPAA 10 miray tsikombakomba amina olom-bitsy eto amin'ny fiangonana. Nokobonina tato anatiny tato ihany ny raharaha nandritra ny 10 volana, saingy rehefa namono sofina ny SPAA 10 dia tsy azo tohaina intsony ny alahelo sy hatezeran'ny kristianina marobe. Mifanohitra be koa moa ny filazan'ireo gazety vitsivitsy namoaka ny raharaha. Hita miharihary tokoa fa tsy sahy mitompo teny fatratra izy ireo amin'izay lazainy noho ny tsy fananany vaovao marim-pototra ka izany no anton'izao fanazavana atao izao.
Ireto avy àry ireo farafahakeliny tokony ho fantatry ny rehetra :
1. Olona 61 monja ireo nitory ny mpitandrina. Ry zareo mpitory moa no nilaza io isa io am-pahabemaso (fa mety ho latsaka noho io ?? Tsy dia sahy miseho mivantana loatra mantsy izy ireo fa toa kaodikaody eo anatrehan'ny besinimaro).
2. Miray tsikombakomba amin'ireo olona 61 ireo ny mpitandrina ao amin'ny biraon'ny SPAA 10. Ny anankiray, amin'ireo mpitandrina ireo moa dia niala tampoka tao amin'ny SPAA 10. Sady nialany ny andraikiny tao, no nialany koa ny fiangonana nitandremany tao amin'ny SPAA 10.
3. Raharaha nanapahan-kevitra teo amin'ny mpihevi-draharaha ny fiangonana sy ny mpandray ny Fanasan'ny Tompo no itoriana ny mpitandrina.
4. Tsy misy raharaha sarotra izay hita ao amin'ny Foto-dalàna sy Fitsipika (FDF) toko VIII andininy 375 no itoriana ny mpitandrina.
5. Misy amin'ireo raharaha itoriana ny mpitandrina no tsy marim-pototra sady lainga foronina ankitsirano fotsiny izao. Niaiky izany tamin'ny solontenanay ny filohan'ny SPAA 10 teo aloha.
6. Tsy nanantona tany ifotony ireo mpitandrina ao amin'ny biraon'ny SPAA 10, nanadihady sy namototra tany Anosipatrana FJKM ny zava-misy marina na indray mandeha aza.
7. Izay rehetra fitarainana nalefanay tany amin'ny SPAA 10 momba izao raharaha izao dia tsy nisy nahazoam-baliny na iray aza, kanefa dia fitarainana manaraka tsara ny FDF toko VIII and. 375, ary nampiarahana tamin'ny sonian'ny mpandray ny Fanasan'ny Tompo 300 mahery ».
Ireo kristianina miara manompo eto Anosipatrana FJKM. Loholona, katekista, diakona, mpikambana any amin'ny biraon'ny sampana sy sampanasa ary asa, tsy manaiky ary tsy hanaiky lembenana amin'ny tsy marina sy ny tsy rariny atao amin'ny fiangonan' Andriamanitra.




Sarotra ny miala amin'ny mahazatra
Ho henjana ny sazy ireo miaramila tsy manara-dalàna manomboka izao. Fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana ireo tany Antsiranana sy Toamasina. Tsy mahazo miasa ivelan'ny toby. Ho henjana ihany koa ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana any amin'izy ireo, indrindra fa ny fitondrana izany eny rehetra eny ivelan'ny asa.
Sarotra ny miala amin'ny mahazatra, saingy làlana iray ahafahana misoroka ny loza ny toy izao. Ireny efa niarahana nahita ireny ny nafitsoky ny polisy na zandary ary miaramila. Mifampitifitra etsy sy eroa amin'ny olon-tsotra. Eny fa misy aza any amin'ny Bar no mampiseho ny fihetsika tsy voahevitra.
Niara-niaky ny rehetra, fa nisy ny goragora teo amin'ny tafika malagasy. Mila arenina io. Manantena ny rehetra fa tena ady amin'ny tsy fandriam-pahalenana no ho hita manomboka izao. Hampihena ny asan-jiolahy iny fepetra henjana noraisin'ny fanjakana iny, ary tsy ny sehatra toy ny ao amin'ny tafika ihany no mila hentitra toy izao, fa eo amin'ny asam-panjakana rehetra. Ho mora ny hiroso any amin'ny fampandrosoana raha toa ka tanteraka izany, ka ho lavitry ny alasafay ny asam-bahoaka.




« Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoa izao ahy ».
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay :
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata 14 oktobra 2008, teo amin'ny faha-79 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RASOANIRINA Merline
Ny zanany :
RAJAOBELINA Josoa sy Nilo
RASOANIRAINY Adolph sy Volana
ANDRIANJAFY Solofo sy Norosoa
ANDRIANJAFY Fidy sy Tiana
RASAMINAIVO Lanja sy Lanto
ANDRIAMBOAVONJY Michel sy Noro
Ny zafiny :
Ony sy Clarion, Anja, Arinilo Rajaobelina
Mirana, Ravo, Nialy, Antsa Rasoanirainy
Fitia sy Ilo Andrianjafy
Iranty Rasaminaivo
Ariaina, Iavosoa Andriamboavonjy
Ny taizany :
RAVAONIRINA Olga
Ny iray tampo aminy
Ny iray tampo amin'ny vadiny
Ny havany sy ny fianakaviana manontolo
Ny fokontany Cité Analamahitsy, ny fokontany Tsarahasina (Ambatotokana) Ambohimangakely, ny fokontany Tsarahonenana.
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambatotokana Fitiavana, FJKM Antsahavola Fitiavana, FJKM Anonimasina Ziona, FJKM Ambohitrantenaina, FJKM Analamahitsy.
Ny zanaka am-pielezana FJKM Ambatotokana Fitiavana (FIZAFA) sy Ambohitrantenaina (FITAZAA).
Ny nofony dia ho entina hiala ao an-tranony Cité Analamahitsy logt 393 ny zoma 17 oktobra 2008 amin'ny 2 ora tolakandro ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambatotokana Fitiavana alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Ambatotokana Ambohimangakely ihany.
« Mahereza sy mahatanjaha ; aza matahotra na manahy azy ; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao ; tsy handao anao na hahafoy anao Izy »
(Deot 31 : 6)




Taratasin'ny mpamaky
Ho an'ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana FJKM
Tompoko,
Mbola nikasa ny hangina ihany ny tenako izay manoratra, manoloana ny korontana fantatro fa mitranga ao amin'ny fiangonana FJKM Anosipatrana, izay fiangonana nibeazako, nitaiza ny fahazazako sy ny hatanorako, ary nitaizako ankizy sy tanora ihany koa. Kanefa matoa mitsikafona eran'ny gazety marobe izany, nanomboka tao amin'ny TRIBUNE, 13/10/2008 ary nitohy tamina gazety samihafa koa ny 14/10/2008, dia efa mihoatra ny fefiloha toy ny tondra-drano ny raharaha, ka tsy haiko hojerem-potsiny toy ny tany nahalavoana, fa tiako ho fantatra ny marina.
Namoaka "didim-pitsarana" ny SPAA 10 tamin'ny sabotsy 3 oktobra 2008 lasa teo, araka ny voalazan'ny gazety, nandroaka ny mpitandrina am-perinasa, tsy hitondra ny Fiangonana FJKM Anosipatrana intsony. Fanontaniana maromaro no apetrako am-pahibemaso aminareo tompon'andraikitra ao amin'ny SPAA, ary angatahako valin-teny mazava sy mangarahara, Tompoko.
1 - Iza, ary tonony mazava ny aranan'ireo olona nitory ny mpitandrina am-perinasa, satria rariny raha fantatry mpiangona rehetra ny mpitory ?
2 - Inona, ary ambarao mazava ny anton'ny fitoriana io mpitandrina io, satria rariny raha fantatry ny mpiangona rehetra ny heloka iampangana azy.
3 - Inona, ary porofoy mazava, ny fanadihadiana nataon'ny SPAA sy ny vokatr'izany, ka nahazoanareo nanameloka sy nanala io mpitandrina io ?
4 - Oviana, ary anehoy tatitra aman-draki-tsoratra, ny nanomezanareo alalana io mpitandrina io hifanazava taminareo "mpanameloka" azy, satria zon'ny voampanga ny miaro tena ?
5 - Inona, ary voarakitra aiza ao amin'ny lalàna mifehy ny FJKM ny heloka vitan'io mpitandrina io ?
6 - Mahafapo sy mahafaly anareo ve izao zava-miseho ankehitriny izao ?
(...) Tsy ianareo lohan'ny mpisorona no ampahatsiahiviko ny tenin'ny Soratra Masina, satria hainareo tsianjery avokoa izany. Kanefa toa tsy tsapa na hitanay olon-tsotra ny fampiharanareo eo amin'ny fihetsikareo andavanandro na eo amin'ny fanapahan-kevitra raisinareo ny fampianarana ao anatiny. Lozan'izay iavian'ny fahatafintohinana !
Hoy ny loholona iray tao Anosipatrana, raha nitranga izao raharaha izao : "Mahatsiaro menatra noho ny maha FJKM ahy aho... Tsy izay ho mpitandrina no olana, fa ny fampisaraham-bazana sy ny fampirafesana ny olon'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana no mampalahelo". Inoako fa raha mbola velona teto izy, dia ho nanao izay tratry ny heriny handravonana sy hampihavanana. Indrisy anefa, nentiny maty izany alahelom-pony izany, satria nindaosin'ny fahafatesana vao tsy ela akory izy.
Raha tsy afaka manazava am-pahibemaso ny anton'ny nanamelohana io mpitandrina io ka nanaiky ho fitaovan'olom-bitsy hanesorana amin'ny fomba jadona ny mpitandrina am-perinasa ny SPAA 10, dia tompon'andraikitra voalohany amin'ny fisavorovoroana aman'alahelo ao am-pon'ny mpino. Ny fanamarihana farany tiako hambara dia ity :
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky ny fihetsika jadona ataon'ny akamaroan'ireo manam-pahefana eo amin'ny sehatra samihafa, na fahefana ambongadiny na sombiny kely fotsiny no eo am-pelatanany.
Heveriny ho tsinontsinona ny olona iandraiketany, ka azony anaovana 'tian-kano, tsy tian-kano', satria azy ny fahefana. Vao mainka koa mampalahelo raha eo amin'ny sehatry ny fitantanam-piangonana kristiana no itrangan'izany. Ny olona tahaka izany no 'maha kely finoana' ny kristiana ary mampihataka azy amin'Andriamanitra. Tsarovy, Tompoko, fa tsy an'ny Synoda ny fiangonana fa an'Andriamanitra. Fitaovana tokony handamina sy hampihavana ianareo voafidy hanana andraikitra ao amin'ny Synoda, fa tsy natao hanakorontana sy hanjakazaka.
Marihiko ary anteriko tsara fa amin'ny anaran'ny tenako samirery, amin'ny maha olom-pirenena ary amin'ny maha zanak'Anosipatrana ahy, tsy iraka na mpisolovavan'iza na iza, no anoratako izao taratasy izao aminareo, Tompoko, ary iandrasako fanazavana sy fanamarinana avy aminareo.
Hanontany angamba ianareo, Tompoko, ny amin'izay fahefana ananako hangataka fanazavana aminareo 'olona ambony', dia hovaliako tsotra ihany : "Tsy manana antom-pisiana ny Synoda raha tsy misy ny mpiangona isam-piangonana". Adidin'ny mpitondra ny manazava, ary zon'ny tsirairay ny mitaky fanazavana, mba tsy ho 'misitery' ny raharaham-piangonana, fa hanjakan'ny mangarahara.
Misaotra mialoha amin'ny valinteninareo, Tompoko.
Voahirana Rakotoarimanana,
Mpiandraikitra voalohany ny Antoko Mpanazava tao Anosipatrana
14 ôktôbra 2008




Vakinankaratra * Lavage des mains avec du savon
Du fokontany jusqu'à la Région
L'EPP Amboronomby dans la circonscription Scolaire d'Antsirabe I a été choisi dans le Vakinankaratra pour la cérémonie de célébration de la journée mondiale du lavage des mains avec du savon. Les autorités de la région dirigée par le chef de région Etienne Randimbiarimanana ont été présentes sur place. Une cérémonie simple mais de valeur a été effectuée. Les responsables qui ont pris la parole durant cette cérémonie ont sensibilisé les élèves et les parents à se laver les mains avec du savon car ce minime geste peut éviter la propagation de certaines les maladies, notamment les diarrhées et autres affections respiratoires qui affectent et tuent des milliers d'enfants chaque année à Madagascar. Celui qui a l'habitude de se laver avec du savon aura un surplus de 5 années de vie, a-t-on entendu.
Pour la région Vakinankaratra, tous les responsables ont été concernés par cette journée. Au niveau du Fokontany, le chef du quartier et le Directeur de l'établissement ont conduit la cérémonie, au niveau de la commune le maire et le Chef ZAP, au niveau du district, le chef de District avec le chef Cisco et au niveau régional le chef de région avec le directeur Régional de l'éducation nationale.




Iray andro ho an'ny Polisy
Hifampitadiavana eran'ny tanana i Dorrick. Jiolahy hikoizana eto amintsika, ary nahavita heloka maro. Jiolahy, izay afa-nandositra teo anoloan'ireo mpiambina azy raha hiazo ny fonja eny Tsiafahy.
Mihoron-koditra ny mponina raha vao mandre ny anarany. Mitohy ny asa ratsiny hatramin'izao. Maro ny namany efa azo, ary mizaka ny saziny eny am-ponja ihany koa. Miely ny feo eto andrenivohitra mikasika ity jiolahy malaza ity. Tapa-bolana lasa izay, dia saika manao fangalam-piery amin'ny mpitandro ny filaminana ny lehilahy. Saingy hatramin'izao aloha, dia tafa-poritsaka hatrany ny tenany. Inona no antony ? Toa fantany hatrany ny fiavian'ireo mpitandro ny filaminana hisambotra azy. Midika ve izany, fa misy mampita vaovao aminy ? Tsy hay ny momba io, fa ny azo antoka, dia misy farany hatrany ny ratsy atao. NY 99 andro hono an'ny jiolahy fa iray andro kosa an'ny Polisy. Io iray andro io no tsy ho zakan'ny mpanao ratsy. Isan'ny ezaka lehibe mora hamongorana ny ratsy ny fiaraha-miasan'ny mpitandro ny filaminana rehetra sy ny vahoaka. Raha io no mitoetra, dia ho mora ny haningotra ny ratsy rehetra. Tsy ho diso ny fokonolona raha mametraka ny andrimasom-pokonolona isaky ny fokontany amin'izao fotoana. Ny kaominina ivelan'ny renivohitra aloha hatreto no tena tsapa fa miroso amin'ity hetsika ity. Ny eto andrenivohitra kosa mba ahoana ?




Faly mampisavorovoro
Hody hono i Ratsiraka, fa manina ny tanindrazany. Io ny feo aparitaka etsy sy eroa. Any amin'ny faritra toan'i Vatovavy Fitovinany no tena handrenesana io. Ao Sava ihany koa dia efa manomboka misy ny olona manaparitaka izany. Olona 15 isaky ny distrika no ilaina hitsena azy aty Antananarivo. Tsy voalaza amin'ireo olona ireo kosa anefa ny daty ahatongavany. Rehefa fotorana akaiky anefa ity resabe etsy sy eroa ity, dia toa misy ny faly hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Ireo mpikambana ao amin'ny Arema sasany aza tsy mahalala ny fisian'izany. Ny resaka toy izao anefa tsy tongatonga ho azy, fa ao raha. Sa kosa misy mitsapa ny halalin'ny rano any ho any ? Mampahatsiahy ny resaka nambaran'i Rossy iray taona mialohan'ny hidirany teto an-tanindrazana ity feo aely etsy sy eroa ity. Rehefa hita fa nahababo ny maro ny hodian'ity mpanan-kanto voalaza etsy ambony ity, dia iny tonga tsy nisy rahoraho iny izy. Dia ho toy izay ihany koa ve ny momba an'ingahy Ratsiraka ? Fantatra anefa fa mbola tsy manan-kevitra ny hitodi-doha eto Madagasikara ingahyRatsiraka, raha toa ka tsy mbola misy ny fampihavanam-pirenena matotra izay ataon'ny fanjakana. Hisy ve anefa izay ?




Midika inona moa ?
Ho an'ny maro aloha dia mihetsika mafy i Marc Ravalomanana. Indrindra ho an'ireo nahafantatra fa efa hatramin'ny naha filoha azy dia nikendry izy fa tsy maintsy hampiantrano ny fivoriana an-tampon'ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara. Tsy namelany tokoa. Ary izao aza dia resiny lahatra koa ny firenena miteny frantsay fa i Madagasikara dia afaka ary efa vonona hampiantrano ny fivoriamben'ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Amin'ny taona 2010 io. Asa inona indray ny manaraka fa tena maha-te-hidera.
Ny fanirian'ny maro aloha dia mba tsy ho iray tapitrisa fotsiny, araka ny filazany, ny malagasy afaka amin'ny fahantrana fa izy valo ambin'ny folo tapitrisa mihitsy ; mba hanana trano manara-penitra, mba hisakafo ara-dalàna, mba hahazo fitsaboana sy fampianarana izay tiany ary afaka mifamezivezy mora foana manerana ny nosy. Hatreto aloha dia mbola nofinofy ireo.
Fa raha toa izany no finiavana sy fahavononana misy ao amin'ny filoha, inona moa no mahasakana azy tsy hampanankarena ny tsirairay amintsika ? satria mantsy ny zava-misy aloha dia toa misy ireo Malagasy miha mitsipozipozy, miha mahantra. Ao aza ireo mpandraharaha toa mivaro-pananana na mitsoaka any ivelany. Tsy hain'ny filoha ve ny mihazona azy ireny mba hampiroborobo ny tontolon'ny asa eto an-toerana ? Ny malaza hatramin'izao dia toa niha-tery sy tsy azo antoka hono ny fandraharahana maharitra nanomboka tamin'ny fitondran'ny filoha Ravalomanana.
Ny malaza koa dia toa ny orinasa goavana vahiny no mahazo laka. Ny mpandraharaha malagasy dia lasa mpiantoka asa fotsiny sisa, na "sous-traitant" raha te-hivelona.
Ho an'ny vahoaka mora narebireby tamin'ny fampielezan-kevitra moa dia tsy hita izay singana "4L" hatramin'izay valo taona izay. Marina fa tsy hisy fanjakana hanatitra vary sy sakafo isan-tokantrano na hamahana, hampakatra ny sotro any am-bavan'ny tsirairay fa raha toa ny tanimbary sy tanimboly na kijana no baboin'ny orinasa goavana na mpanefoefo teratany dia ahoana no ahafahan'ny mponina sy mpamokatra miary ?
Tsara tokoa fa malaza izao i Madagasikara ary manana ny toerany araka izay itiavan'ny mpitondra azy. Voninahitra izany. Rehareha izany. Fa raha mbola mameno ny sisin'arabe ny mpivarotra amoron-dalana sy mpangataka ary mbola betsaka ny mpanao irakely, inona no dikany ireny ? Toa vola avy any ivelany hampitomboina eto Madagasikara fotsiny angamba.




Promesses présidentielles
Antsohihy attend toujours son gymnase
Le Président de la République Marc Ravalomanana a promis à la ville d'Antsohihy, région Sofia, la construction d'un gymnase pour les jeunes, durant son premier mandat. Cette promesse n'a pas encore été réalisée. Des responsables de la commune d'Antsohihy l'ont rappelé aux journalistes de la capitale venus rendre visite à cette commune au début de la semaine dernière. En effet, des journalistes de la capitale, sont venus spécialement dans la ville d'Antsohihy pour couvrir une inauguration de la RN 6 par le Président Marc Ravalomanana, prévu se dérouler le mardi 14 octobre 2008. Faute d'inauguration, les journalistes ont rencontré les responsables locaux, aussi bien au niveau de la commune qu'au niveau de la région.
Réhabilitation RN 6
Au niveau de la Région Sofia, Il a été surtout question de mettre en évidence l'intérêt de la réhabilitation de la route nationale numéro six. "Sur 7 districts de la région Sofia, il n'y a plus qu'Analalava qui pose encore problème pour les transporteurs dans la région", a mis en exergue le chef de région, le Lieutenant-Colonel Randriamanesy André, lorsque ce dernier a reçu à son bureau, la visite des journalistes et des délégations du ministère des Travaux publics, dans la matinée du lundi 13 octobre dernier. Devant la délégation du ministère des Travaux publics, le chef de région de Sofia insiste sur l'importance de la réhabilitation des routes qui desservent le district Analalava. "Ce district renferme des ressources minières", dixit le chef de région. Mais la délégation du ministère des Travaux publics n'a pas pu résoudre sur le champ le problème. "Aucun travaux ne peut être commencé pour cette année, faute de budget", a répondu la délégation face au chef de région. Il a été alors proposé d'instaurer les barrières de pluies à partir du début du mois de novembre prochain, pour éviter la dégradation de l'état actuel des routes.
Divergence
Les responsables de la commune d'Antsohihy n'ont pas la même vision que le chef de région sur l'intérêt de la réhabilitation de la RN 6. Il y a eu une fluidité de la circulation après la réhabilitation de cette route nationale. "Entre Antsohihy et Befotaka, il y a 35 km de distance. Avant cette réhabilitation, il a fallu 8 heures aux transporteurs pour faire ce trajet. Maintenant il suffit d'une heure pour faire ce même trajet". C'est ce qu'à expliqué l'adjoint au maire d'Antsohihy, Bernard Remi Henri. Mais des responsables de la commune attribuent à cette réhabilitation, la hausse du coût de la vie dans la ville d'Antsohihy. Si autrefois le prix d'une bougie était de 200 ariary, maintenant cette même bougie coûte 400 ariary. Les responsables de la commune d'Antsohihy n'ont pas oublié la hausse du nombre d'accidents de la circulation après la réhabilitation de cette route nationale.




Arema mouvence
Ny zanaky i Deba indray no lasa nitsikera mafy ny lahatenin'i Amiraly Ratsiraka farany teo avy any Paris. Tsy mahita marina ny tenany, ka tsy mahatsapa ny asa vitan'izao fitondrana izao eto Madagasikara. Asa mety ho tatitra diso ihany koa angamba no voarainy ka nahatonga azy hanao ireny fanambarana mivantana tao amin'ny Motel Anosy ireny.
Io no nambaran'ireo mpikatroka ao amin'ny Arema, ary niofo ho Arema matotra ankehitriny. Ingahy Henri Charles Randriamahefa no nanambara io ny faran'ny herinandro lasa teo. Tsy mitady toerana izahay, fa manome tanana ny fitondrana kosa amin'ireo asa goavana tanterahiny eto Madagasikara. Tsy naman'ny mpamendrofendro izahay, fa olon'ny asa. Manana adidy lehibe amin'izany ny Arema matotra, indrindra fa akaiky ilay fihaonambe an-tampony aty Afrika izay ho atao amin'ny taona ho avy iny. Tsapa izao fa miady fo mafy ireo olon'ny fitondrana teo aloha manantona ny mpitondra ankehitriny. Ny tsapa anefa dia toa anjorom-bala hatrany izy ireo rehefa tonga ny fizarana ny mamy. Ekena fa tsy mitady toerana izahay hoy ity depiote teo aloha ity, saingy hafa ny manana andraikitra ao anaty fitondrana sy ny olona mitazana ivelany. Sa mbola miandry ny anjara-masoandro eny fa tsy maintsy ho tonga io any aoriana any ?




Zakahely ao Ambalatavoangy
Nifona tamin-dRavalomanana
« Mamela ny heloko fa tsy fantatro izay nataoko ». Vokatry ny fangirifiriana ao am-ponja, ao Toamasina, dia nandefa taratasy fifonana any amin'ny filoha Ravalomanana ny depiote Zakahely voafidy tao Mananara Avaratra.
Taratasy izay niantefa mivantana ho an'ny filohan'ny repoblika Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Charles Rabemananjara ary ny filohan'ny antenimieram-pirenena Jaques Sylla. Andro vitsivitsy izay no nananteran'ny andefimandriny ity taratasy ity tany amin'ireo filohan'andrimpanjakana ireo. Voalaza fa isan'ny nahatezitra ny fanjakana ilay vava navoakan'ingahy Zakahely milaza fa tsy matahotra an-dRavalomanana izy fa tongava aty Fenoarivo Antsinanana raha sahy. Voatsiahin'ny mpifona, fa resaka fifidianana no tiany hambara eo fa tsy fihatsiana amin'ny zavatra hafa.
Araky ny fantatra dia tsy zakan'ity depiote ity ny adin-tsaina ao am-ponja, ka miteraka fahavizanana ara-batana ho azy. Miaka-midina ny tosi-drany ka mbetika 14,9 ary ny faran'ny herinandro teo, dia tafidina hatrany amin'ny 9,5. Raha vao niditra ny fonjan'Ambalatavoangy ingahy Zakahely, dia 78 kilao ny lanjany, ary tao anatin'izay volana maro nigadrany izay, dia 74 sisa.
Manantena ny maro, fa handray izao fifonany izao ny filoham-pirenena, satria olon'ny finoana ity ray aman-drenin'ny Malagasy ity. Sambatra izay mamela heloka hoy ny soratra masina, ary hita fa ingahy Zakahely irery ny olona tsy nitovy hevitra amin'ny mpitondra sahy nanao izany fifonana izany. Ny hafa kosa dia ny mifanohitra amin'izany no nataony. Tsara ny milaza fa mbola tsy voasolo ny toeran'ingahy Zakahely ao Tsimbazaza.




Taratasin'ny Mpamaky
Raharaha FJKM Anosipatrana
« Isan'ireo kristiana nikatsaka mafy ny fahamarinana sy nanao ho vaindohan-draharahany ny fikatsahana ny tsy fivakisan'ny fiangonana ao amin'ny FJKM Anosipatrana ny havamalalanay, izay nantsoin'Andriamanitra hody any aminy tamin'ny 24 septambra teo. Nandreraka azy tokoa io raharahan'ny FJKM Anosipatrana io, izay nanatonany olona maro ka nanaovany ny ainy tsy ho zavatra : tao ny tompon'andraikitra sasany tao amin'ny SPAA 10, tao koa ny tany amin'ny Foibe, tao ihany koa ny tompon'andrkitra tamin'ny fitoriana ny mpitandrina, sy olona samihafa izay noheveriny fa afaka hanampy amin'ny ezaka izay nataony.
Tao anatiny fahoriana namoizana ny havavamalalanay no nanatonan'ny fianakaviana amim-panajana feno ny Pastera Délégué tao Anosipatrana, ka nangataka taminy ny hanatanterahan'ny Mpitandrina teo aloha ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy ho fankaherezana ny fianakaviana. Neken'ny mpitandrina Délégué izany tamin'ny alalan'ny taratasy nalefany ho an'io mpitandrina io ny 25 septambra 2008., koa nanambarany ny hoe : "mampalahelo ahy ianareo fa fahoriana ity ka dia ekeko, sady efa fangatahan'ny maty tamin'ny fahavelony rahateo".
Indrisy anefa fa taorian'ny fahavitan'ny famitana sy fanamaroana ny fandaharam-potoana natolotr'ilay Mpitandrina nekena hitondra ny fotoana, dia nisy taratasy tonga avy tamin'ny Mpitandrina Délégué manambara fa tsy azon'io Mpitandrina io atao indray ny mandray anjara na amin'inona na amin'inona mandritra ny fotoam-pivavahana ary tsy azo atao akory aza ny mamoaka an-gazety na amin'ny haino aman-jery ny anarany.
Hatraiza ny fanaovana tsinontsinona ny sitraky ny maty sy tsy firaharahana ny teny nifanomezana ? Soa ihany fa tao anatin'izany rehetra izany no naneken'ny Mpitandriana iray, - anisan'izay nanampy nitady vahaolana amin'ity raharahan'Anosipatrana ity, - tapaka sy naman'ny fianakaviana rahateo, hitondra ny Tenin'Andriamanitra.
Santionany amin'ny didy jadona, sy tsy firaharahana ny vahoakan'Andriamanitra ataon'ny SPAA 10 fotsiny ihany anefa izany, satria ny didy fandavana dia niainga avy tany amin'ny SPAA 10. Tsy hotanisaina eto intsony ireo lafin-javatra maro, efa nitranga tany aloha teo anivon'ny Fiangonana :, ny tsy fahamarinana sy fitongilanana tanteraka teo amin'ny nitondrana io raharahan'ny FJKM Anosipatrana io, ka tonga hatramin'ny fandraisana didy amboletra ho fanalana ny Mpitandrina tsy an-drariny : eny fa tonga hatramin'ny nanidina ny vavahadim-piangonana hanakanana ny fikasan'ny kristiana maro an'isa, hanatanteraka fanompoam-pivavahana ho fampihavanana sy hifamelana heloka. Marihina fa raha tonga tamin'izany "fampihavanana sy fifamelan-keloka" izany ny kristiana maro an'isa, dia efa nisy tokoa ny fandeferana be nataony na dia nahatsiaro ho niharan'ny tsindry hazo lena aza izy. Mbola marihina koa fa ny antony nomen'ny SPAA 10, tsy namohany ny vavahadin'ny fiangonana dia hoe : "tsy nanaraka ny fepetra tokony ho narahina ny kristiana tonga nivory mba hivavaka". Kanefa moa mba nanaraka ny fepetra tokony ho narahiny ve ny SPAA 10 raha nanala ny Mpitandrina teo amperinasa tsy hitandrina intsony ? Sa notanterahiny ilay fitenenana hoe :"ataovy izay lazaiko , fa aza atao izay ataoko" ? Mby aiza amin'ny sitrapon'Andriamanitra re izany rehetra izany e ?
Efa tafahoatra loatra ireny rehetra ireny, ka maneho etoana izahay fa isan'ireo vahoakan'Andriamanitra tsy manaiky lembenana amin'ny tsy rariny atao amin'ny fiangonana, izay efa nanoratra lahatsoratra tamin'ny Tribune laharana nivoaka ny 16 oktobra 2008 ».
Sahondra M.




Masera protestanta
Valo taona ny fanomanana ny voady farany
Tsy ny katolika ihany no manana masera fa ny protestanta koa. Efa 20 taona izao no nijoroan'ny Fiaraha-miainan'ny Vehivavy Reliziozy Protestanta Malagasy ao amin'ny FJKM, izay ivondronan'ireo masera miisa 10 izay manana ny foiben-toerany ao Ambavahadimitafo-Antananarivo saingy tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisian'izy io.
Maharitra valo taona eo ho eo, araka ny nambaran'ny masera Soa Christine, ny fanomanana ny voady farany hataon'ny masera protestanta iray, izay manokan-tena tsy hanambady fa hiaina ao anatin'ny fahadiovam-piainana, fanenetren-tena ary fankatoavana an'Andriamanitra, izany hoe mifototra amin'ny fiainam-bavaka.
Misy ambaratonga ny fiainana ao amin'ny MAMRE ka izay mahafeno tsara ny fepetra takiana ary vonona ho amin'ny fanokanan-tenan tanteraka no afaka manao ny voady farany. Tao anatin'ny 20 taona nisian'ny fikambanana dia 10 monja no nahatanteraka ny voady farany ka miaina ao anivon'ny MAMRE ankehitriny. Nisy ireo nitsoaka an-daharana ary amin'izao fotoana izao dia misy ireo mbola mijery taratra ny fombafomba fiainan'ny masera mialoha ny hanapahany hevitra hentitra.
Mankalaza ny 20 taona
Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany moa amin'izao fotoana izoa ny MAMRE (izay no anarana nofidian'izy ireo iantsoana ny fikambanana), ka misy ny fampahafantarana ny momba ny MAMRE sy fampirantiana ny asa-tanana sy zava-bitan'ireo masera mpikambana ao, izay atao etsy amin'ny Tahala Rarihasina-Analakely nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy ny asabotsy ho avy izao.
Ny MAMRE moa dia tanàna iray ao amin'ny Genesisy toko faha-18, enti-milaza ilay toerana nisehoan'Andriamanitra tamin'i Abrahama sy Saraha mikasika ny Trinite na ny "Telo izay Iray".
Mamelon-tena ny MAMRE
Manan-talenta ny masera protestanta ka izany no ampiasain'izy ireo amin'ny fameloman-tena. Anisan'ny asa ataon'izy ireo ny fanjairana ny akanjon'ny mpitandrina na ny diakona na ny mpiandry, ny asa tanana sy tao-zavatra izay fidiram-bola maharitra ho azy 10 miarahavavy. Mamboly anana sy salady ary miompy eny Ambohinaorina-Sabotsy Namehana ihany koa ireo masera ireo ka isan-kerinandro no mivarotra ny vokatra. Ankoatr'izay dia afaka mikarakara sakafo ho amina fanasana (traiteur) sy manamboatra mofomamy isan-karazany ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny MAMRE ireo. Voalaza fa manodidina ny Ar 50.000 ka hatramin'ny 80.000 eo ho eo ny vola miditra amin'ny fikambanana.




Ambany maso tsy hita
Minoa fotsiny ihany. Tanteraka ny nofinofin'ny filoha Ravalomanana ny handray ny fivorian'ireo firenena maro eran-tany ho atao eto Madagasikara. Vitany ny afera, ka resy lahatra ny firenena vahiny hiazo an'i Madagasikara ny taona 2009 sy ny taona 2010.
Ny fivorian'ny vondrona Afrikana sy ny firenena miteny ampahany, na manontolo ny fiteny Frantsay io. Hiady hevitra hamahana ny olana eran-tany no anton'io fivoriana io, ary tsy ho diso anjara min'izany ny olana aty Afrika. Hifantoka aty Madagasikara avokoa ny sain'ny mpanara-baovao maro eran'izao tontolo izao. Nosy kely hifantohan'ny ho avy ara-toekarena eran-tany isika. Hitady vaha-olana hamahana ny krizy eran-tany. Isan'ny laha-diniky ireo filoham-pirenena maro io atao eto amintsika io. Ny olan'ny hafa ho voavaha, fa ny mahazo antsika mba ahoana ? Hiarahan'ny maro mahita ny zava-misy iainan'ny malagasy ankehitriny. Ho henatra eo anatrehan'izao tontolo izao ny mandre fa maika isika handray vahiny, saingy ny olany aza tsy voavaha. Aoka mba tsy ho ambany maso tsy hita ny krizy mahazo ny isan-tokatrano, ka mba hisy vaha-olana haingana mialohan'ny ahatongavan'ny vahiny eto. Mba tsy ho fisehoana ivelany, no ho hita fa Malagasy mitraka hiatrika ny ampitso no tanjona.




Krizy ara-toekarena eran-tany
Mangina ny fanjakana Malagasy
Tsy ahiana hisy fiantraikany eto amintsika ve ity olana ara-toe-karena eran-tany ity no tsy misy feo re avy amin'ny mpitondra fanjakana ? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro raha mahita ity olona eran-tany momba ny toe-karena ity. Mikaikaika ny firenena matanjaka, satria manomboka mitsotsorika ny hari-karena. Ny filoha Frantsay, dia nanambara, fa raha toa ka tsy mahita vaha-olana hatramin'ny Desambre 2008 ity, dia fahapotehana no hita eran-tany.
Manomboka banky tanteraka ireo banky matanjaka eran-tany. Mivory tsy tapaka ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin'ny G8.
9,5 miliara dolara ho an'ny MAP
Manomboka mihidy ny fanampiana ho an'ireo tany madinika. Isika eto Madagasikara anefa, dia iaraha-mahalala, fa miankina betsaka amin'izany fanampiana izany ny henti-manana ny MAP.
Mitentina 9,5 miliara dolara ny vola ilaina hanatanterahana ny MAP. Voalaza fa ny 4 milara dolara amin'io, dia efa manana isika. Tsara izany, fa nahoana no mbola tsy ampiasaina ? Handinika ny teti-bolam-panjakana 2009 ny eny Tsimbazaza. Ahoana ny ahazoana vola afahana mandoa ny karaman'ny mpiasam-panjakana, satria mety hanidy ny paosiny ireo mpamatsy vola mahazatra ? Tsy maintsy handalo krizy toy ireo firenena vaventy isika eto, satria miankina betsaka amin'izy ireo ny toe-karena eto Madagasikara. Ankilan'izay, dia toa minia mangina ny fanjakana, izay tokony hitondra fanazavana momba izay mety ho olana hiseho eto atsy ho atsy. Sa manana ny fahaiza-miasa hafa kely ny mpitondra, ka ny olana any ivelany tsy hisy fiantraikany eto ?




Raharaha Sakaraha
« Olona mbola karohina no nitory ahy, hoy i Longo Rafa »
Nitohy androany any amin'ny fampanoavana ao amin'ny tribonalin'i Toliara ny fakana ambavany ny ben'ny tanànan'i Sakaraha, Longo Rafa sy ny lehiben'ny distrika, Nestor Zerambay. Fanaparam-pahefana no niampangana azy ireo.
Araka ny voalazan'ireto notoriana sy voatazona aloha dia lehilahy antsoina hoe Richard izay karohin'ny mpitandro ny filaminana no nitory azy ireo. Nohainoana koa ireo vavolombelona dimy hafa.
Raha ny fialzan'ireto ben'ny tanana sy sefo distrkia dia nanafika ny ombin'ny sefompokontanin'Ankazera-Mikaiky kaominina Sakaraha ity Richard ity ny volana mey lasa teo. Lasa ny omby 22 ary voatifitra ilay sefompokontany. Tamin'ny fifanjevona nifanaovana tamin'ny fokonolona no nahafaty ny iray tamin'ireo dahalo. Tsy iza ilay maty fa mpiandry ny ombin'i Richard. Nanenjika ny zandary ka nahafaty dahalo iray hafa.
Efa tany amin'ny taona 2004 kosa no nokarohin'ny mpitandro ny filaminana ity lehilehy ity (Richard). Namono nahafaty ny mpiandry ombiny izy tamin'izay. Nampiharina ny Dina. Ny lehiben'ny distrika no nampihatra izany. Ny mpizaka no nanapaka fa omby zato no ilaina. Omby 203 anefa no tontalin'ny ombin'i Richard. Mbola namono olon-kafa tao Andakazera ihany koa ity farany ity ny 17 avrily teo. Nangataka omby 40 ny fianakavian'ny maty. Nampidirina foriera ny ombiny 68 hafa. Mihorohoro ankehitriny ny mponina ao amin'ny fokontany Andakazera-Miakika. Mandositra miala ao avokoa ireo olona ireo noho ny tahotra ny hisian'ny fanafihana.
Raha ny fanazavan'ny ben'ny tanàna Longo Rafa dia nosandohana ny soniany amin'ny taratasy izay natao. Tsy nanatrika ny fampiharana ny Dina akory aho, hoy ny fanazavany. Betsaka ny vaovao diso navoaka, hoy izy fa tsara ny mitondra fanazavana. Tsy tonga nanatrika ny fampanoavana kosa ny mpitory, Richard izay mbola karohina foana hatramin'izao. Misy ambadika politika entina hanapotehina ahy ity raharaha ity hoy ihany ny ben'ny tanàna.
Mpanao gazety tao amin'ny RTV teto Antananrivo fahiny no nahafantaran'ny rehetra an'i Longo Rafa. Manana onjam-peo tsy miakina izy any Sakaraha, ary voafidy ben'ny tanàna any antoerana tamin'ny antoko TIM.




Mamokatra no vaha-olana
Ny fampiakarana avo roa heny ny fambolena no vaha-olana haingana ahafahana misoroka ny fahapotehan'ny toe-karena. Ho firenena afaka mivelona ara-dalana sy manondrana isika. Fepetra noraisin'ny fanjakana ankehitriny io hampiakarana avo roa heny ny fambolena eto Madagasikara io, indrindra fa ny vary.
Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io tany ivelany, manoloana ny ho fisorohantsika ny krizy ara-bola maneran-tany. Mampahatsiahy tamin'ny andron'ny amiraly Ratsiraka fony repoblika faha-roa nanambara tamin'ny vahoaka isaky ny mikabary ny hoe mamokara, mamokara. Ny tany rahateo midadasika, ahafahana mampiakatra avo ny vokatra tokony ho volena. Ny indro kelin'ny mpandrafitra, dia ny fitaovana entina mampiakatra ny vokatra no olana. Io hiarahana mahita io ny fidangan'ny vidin-jezika. Ny masom-boly tsy lazaina intsony. Ny finihavana betsaka, fa ny ho enti-manana no tsy ampy. Eo no ilana ny hetsika ataon'ny fanjakana mba hanamorana ireny fitaovana isan-karazany ireny. Inona no sakana tsy ahavita izany ? Raha tena vonona ny hisoroka ny loza tsy ho tonga eto isika, dia omeo ny sehatra sahaza azy ny fambolena sy ny fiompiana eto, fa hiakatra ao anatin'ny fotoana fohy ny toe-karena Malagasy.




Pasitera Mailhol sy ny krizy eran-tany
Hisy filoham-panjakana hiongana
Raha tsy mitandrina isika, dia ho potika indray ny toe-karena hambara fa efa miarin-doha ankehitriny. Fepetra tokony ho raisin'ny fanjakana haingana ny manazava amin'ny vahoaka ny mety ho fiantraikan'ity krizy ara-bola maneran-tany ity. Io no nambaran'ny Pasitera Mailhol tao amin'ny Aceem Radio ny alahady teo.
Tahotry ny hidin'ny famatsiana ara-bola ataon'ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny firenena matanjaka antsika io. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny fitotongan'ny toe-karena any Etazonia sy atsy Eraopa. Ny firenena Afrikanina no tena ho voa mafy, satria ity kaontinanta ity no tena miankin-doha amin'ny firenena hafa. Isika eto Madagasikara dia mbola ireo firenena ireo no miantoka ny toe-karena eto. Mety tsy hisy intsony ny fanampiana ara-bola, satria ny fireneny aloha no maha-maika azy ireo. Raha izay no mitranga, dia tsy ho voaloa intsony ny karaman'ny mpiasam-panjakana. Ny entana aondrantsika tsy hisy hividy intsony, satria ny firenena matanjaka banky rompitra. Hikatona tsikelikely ireo orinasa afaka haba. Hitombo ny tsy an'asa. Ho raikitra amin'izay ny grevy tsy hifankahitana, ka hitotongana ny toe-karena. Tranga tsy maintsy ho hita aty Afrika ireo, ary hisy ny filoham-pirenena hiongana amin'ny toerany amin'izay.
Mila mailo isika noho izany, ka izay no hitaomana ny mpitondra fanjakana mba hanazava haingana ny fepetra tsy maintsy ho raisina.




Antenimierampirenena
Tsy milamina ny tany hoy i Sylla
Tao anatin'ny fisokafan'ny fivoriana ara-potoana faha-roa omaly no nilazan'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla, fa tsy milamina ny tany. Isan'ny resaka fandriam-pahalemana izay miha-mahazo vahana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Ny mampalahelo, dia miditra amin'io herisetra io ny mpitandro ny filaminana. Ny jiolahy ihany koa dia efa sahy mihantsy ny mpitandro ny filaminana. Miparitaka ny fitaovam-piadina. Ny fitsarana dia maro ny didy tsy mifanaraka amin'ny tena zava-misy.
Ny fampianarana, kosa dia tsapa fa ny ray aman-drenin'ny mpianatra no mandoa ny tabin-kasasaran'izy ireny. Tsy ampy ny rano fisotro madio. Ny vidin-jiro dia miakatra andro aman'alina, ka mila tsy ho zakan'ny vahoaka intsony. Mitarazoka ny fanomezana kaontera ho an'ny mpanjifa. Miha-lafo ny sakafo eny antsena, ary mitobaka ny sakafo vita vahiny. Na eo aza anefa ireo, dia tsapa ny ezaka ataon'ny fitondrana hoy ingahy Sylla, ka isan'io ny fanafarana vary any ivelany. Ny famokarana apemba. Ny fidirana amin'ny resaka angovo azo amin'ny toho-drano. Ny fampitomboana ny sakafo ho an'ny mpianatra any ampianarana. Ireo raha fehezina ny kabary nandritra ny fisokafan'ny fotoam-pivoriana omaly teny Tsimabazaza.




Canada
Marc Ravalomanana sy Malagasy monina any
Ny Alahady tolakandro, 19 oktobra 2008, taorian'ny nahavitan'ny Fivoriambe an-tampony faha 12n'ireo tany mifampizara ny teny frantsay, tao Québec, dia niara-niombom-bavaka tamin'ireo teratany Malagasy monina any Canada (Québec, Montréal, Ottawa, sns) ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana mivady. Teo koa ny Masoivohon'i Madagasikara any Canada, Horace Constant, ny Masoivohontsika eo anivon'ny UNESCO, Irène Rabenoro. Tao amin'ny Fiangonana "Eglise Evangélique Luthérienne", tao Québec city, no natao izany fotoam-pivavahana izany ary nisaorana an'Andriamanitra noho ny fitahiany tamin'ny asa rehetra nosahanina teo anivon'ny firenena. Ny Mpitandrina Razafy Razafindrakoto no nitondra ny fotoana ary nitondra ny Tenin'Andriamanitra ka nanazava ny hoe "Aloavy ho an'i Kaisara izay an'I Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra" (Matio 22, 21).
Taorian'ny fotoam-pivavahana dia nisy ny fihaonana nataon'ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpiray tanindrazana ireo tao Québec city ihany, ka nitondra ny tenin'ireto farany ny Filohan'ny fikambanan'ny Malagasy any Canada "Gasy Miray", Victor Rakotoniaina, nisaotra sy niarahaba manokana ny Filoham-pirenena noho ny ezeaka ataon'ny Fitondrana ka re laza hatrany ivelany. Hafatra fohy kosa no nataon'ny Filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, dia ny fametrahana an'i Madagasikara eo amin'ny toerana sahaza azy eo anivon'ny firaisambe-pirenena ka ananany laza tsara ankehitriny. Nanainga ny Malagasy monina any ivelan'ny tanindrazana izy hiasa ho an'ny tombontsoan'i Madagasikara ka hanandratra avo ireo ezaka rehetra ialana amin'ny fahantrana. Nisy avy eo ny fametrahan'ireo Malagasy fanontaniana tamin'ny Filoha Malagasy momba ny raharaham-pirenena. Naseho teo koa ireo mpianatra valo Malagasy nalefan'ny Filohan'ny Repoblika handranto fianarana any amin'ny sekoly ambony any Canada, avy tao amin'ny INSCAE sy sekoly hafa.
Nosalorana mari-boninahitra "Officier de l'Ordre national" ny Masoivoho Horace Constant, nandritra ity fihaonana ity. "Chevalier" kosa ho an'ny mpiasa iray ao amin'ny Masoivohontsika ao Ottawa, Rtoa Solojaona Dauphine.




Sarotsaromy fa mahamenatra
Manomboka mifantoka aty Madagasikara ny mason'izao tontolo izao. Vokatr'ilay fandraisana ny fivoriana amin'ny herintaona sy roa taona manaraka io. Tsapa fa efa maro ireo mpanao gazety vahiny no tonga eto Madagasikara, izay mijery ireo ezaka amin'ny fotodrafitr'asa handraisana ireny fivoriana ireny.
Tsy ho latsaa-danja amin'izany koa anefa ny fijerena ny toe-karena Malagasy, sy ny kolontsain-tsika. Raha ny tsapa tao anatin'ny andro vitsivitsy, dia maro amin'ireo vahiny no roboka amin'ireo faritra iva eto an-drenivohitra. Na dia mitsiriritra ny fitaovana entina aza ny mpanendaka dia tsy ahoany, fa ny haka sary ireo toerana heverina fa tena sahirana no maha-maika azy ireo. Tsy azo afenina rahateo ny fahantrana amin'ireny faritra ireny. Tsy vaha-olana velively ny hanarotsaromana ny fahantrana amin'ireny, satria hambara ho maha-menatra. Ny fandraisana andraikitra amin'ny asa fanadiovana haingana no maika. Ilaina finiavana eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka io. Na trano bongo tsy toy ny tany Canada aza no hitan'ireny vahiny ireny, izay harantiny amin'ny fahitalavitra any ivelany, dia ny fahadiovana sy ny filaminana no tanjona tsara indrindra. Ny fandriampahalemana io efa hiarahana mandre io ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy te ho afa-baraka isika dia aleo miara-mientana, mba tsy ho ny ratsy hatrany no hanakoako any ivelany fa mba ny tsara indray.




Antoko Fihavanantsika
Tsy miray loha ny mpanohitra
Nangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny, fa ny tsy azo lavina, dia mizarazara be ihany ny hevitra. Samy maka ho azy izahay mpanohitra na dia samy milaza aza fa iray no tanjona, dia ny ady amin'ny famoretana vahoaka.
Maro an'isa ny mpanohitra, ary vitsy ireo eo amin'ny fitondrana. Tsy hay anefa ny tena mampitovy ny tadin-dokanga, ka ny hafa ny maha-maika azy dia ny hankalaza ny 14 oktobra. Ny fahefa-mividy eo amin'ny vahoaka anefa no tena maika amin'ny olona. Miha-sarotra andro aman'alina ny fianana. Mbola io miakatra andro aman'alina io ihany koa anefa ny vidin-jiro sy ranon'ny Jirama. Hanimba ny orinasa io, ary hanimba ny tokan-trano tsirairay. Any no maika izao. Eo anefa no ahatsapanay Fihavanantsika, hoy ingahy James Ratsima, mpikambana ao amin'ny birao politikan'io antoko io, fa mila ampitoviana ny fomba fijery eo amin'ny mpanohitra. Raha tsy izay no vita, dia io samy maka ho azy io ny rehetra.




Didim-pitsarana Bad Boy
20 volana an-tranomaizina
20 volana an-tranomaizina, 3 taona fisintonana ny "fahazoan-dalana hamily", onitra 2 tapitrisa Ariary isan-dray amandrenin'ny zaza maty, Ar 500 000 isan-jaza ho an'ny iray tampo an'ny maty misy 3 izy ireo, ary Ar 450 000 ho an'ilay zaza naratra. Io no vokatry ny didim-pitsarana nandrasan'ny maro tao amin'ny tribonalin'ny ambaratonga voalohany an'Antsirabe ny tolakandron'ny Alakamisy 23 Oktobra. Naharitra ora telo teo ny fitsarana ny marainan'ny alakamisy, ary ny tolakandro kosa ny ora namoahana ny didy. Ity no fitsarana azo lazaina fa be mpiandry indrindra teto amin'ny tanànan'Antsirabe, na dia avy aza ny orana ny tolankandron'ny alakamisy io dia niandry teo ihany ny ankamaroan'ny olona.
Raha tsiahivina dia ny tolakandron'ny alatsinainy voalohan'ny volana septambra teo amin'ny 4 ora hariva teo ho eo no nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin'ny lalan'ny fahaleovantena Antsirabe. Moto scooter iray no nentin'I "Bad Boy" ary nahafoaka zazavavy roa 7 sy 12 taona. Maty tsy tra-drano I Cynthia tamin'izay fotoana izay, raha mbola nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay zazavay 12 taona saingy ny takaitra no nisy tavela mandraka ankehitriny.
Izay no didim-pitsarana ! Amin'ny toe-javatra tahaka izao dia mbola afaka mampiakatra ny tsy afa-po afaka folo andro.




Mpiasa 4000 saika hanafika asa eto
Nahazo aina ny malagasy maro
Tsy tafita eto Madagasikara ny tetiky ny mpitrandraka harena ankibon'ny tany avy any ivelany, izay saika hampiditra mpiasa vahiny eto. Noho ilay olana ara-bola no anton'io, ka naleon'izy ireo mampiasa ny malagasy eto amintsika. Nisento tokana ny ankamaroan'ny mponina raha vao nandre ny tsy ahatongavan'izy ireo eto. Ny antony, dia eo amin'ny lafiny fahasalamana, dia maro ny nihevitra, fa ho viravirain'ireo vahiny vola ny tanora malagasy, ka hanaovany izay hitiavana azy. Ahiana noho izany ny mety hiparitahan'ny aretina Sida. Ny tanora malagasy ihany koa maro no tsy manana asa, nefa nahoana ny vahiny no hibahana betsaka amin'ity asa fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany toy ny ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Fepetra efa noraisin'ny sendika maro ny tsy tokony hidiran'ireny vahiny be loatra ireny eto, ka izao to izao ny fanirian'izy ireo.
Mahazo mandry ivohon'ny vato izany isika, fa tsy ho tonga eto ireo mpiasa 4000 saika hitrandraka ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara. Soa izany fa nisy ilay krizy ara-toekarena eran-tany, fa raha tsy izay, efa feno vahiny ny tanana e.




Fanamby
Tsy naharototra ny filoha Ravalomanana ny mahita ny krizy ara-bola maneran-tany amin'izao fotoana izao. Tombony lehibe ho a'ny tany andalam-pandrosoana io hoy izy. Porofo nomeny tamin'izany, ny tsy fahazoana mandefa ireo mpiasa avy any Canada miisa 4000 ho aty Madagasikara hiasa ao amin'ny Sheritte Ambatovy. Ny vidin'ny solika io nihena hatrany amin'ny 70 dolara io.
Ny firosoana any amin'ny fambolena avo roa heny ihany no vaha-olana haingana hoy izy, satria afaka manao izany tsara isika eto Madagasikara. Fanamby goavana no nampetraky ny filoha manoloana ny ezaka izay ho ataontsika, ka tsy hisy fiantraikany aty Madagasikara izany krizy ara-bola izany. Tsy izay ahazo ny firenena matanjaka dia hampalemy ny tany andalam-pandosoana. Minoa fotsiny ihany hoy ny filoha, ary ny fiarahana mientana eo anatrehan'ny zava-misy maneran-tany no heverina fa fahombiazana amin'ny sehatra tahaka izao. Midika ve io tenin'ny filoha Ravalomanana io, fa tsy hampiova ny fanampiana mety ho atao amintsika ny toy izao ? Tsara aloha ny tanjona, rehefa sahy mijoro amin'ny olana mety hiseho, ary ny tsy fiankinan-doha be loatra amin'ny any ivelany no tena tanjona hoy kosa ny mpandinika maro eto amin'ny tanana.




Ho takona ny TGV
Mila fiomanana mialoha ny fandraisana ny vahiny ho avy eto ny taona 2009 sy 2010. Efa manomboka izany ny fanjakana Malagasy. Hiditra amin'ny fanofanana ireo olona hisahana ny raharaha maro isan-karazany isika. Tafiditra ao anatin'io ny ambaratongam-pitondrana isan-karazany.
Ahazo tombony lehibe amin'io fivoriana io ny kaominina ambanivolo Ivato Seranana sy ny Ivato Aéroport. Ho takona amin'izany ny TGV, dia i Andry Rajoelina izany. Mandeha mantsy ny feo, fa ny ben'ny tanàna eny Ivato no handray ireto vahiny ireto. Inona izany no maha-renivohitry i Madagasikara ity Antananarivo ity ? Sa mbola mitoetra ny loko politika efa nahazo laka hatramin'izay teto amin'ity renivohitra ity ? Ny tanety lava hono misy hisainana, ary fotoana tokony hametrahana anjorom-bala ny fizarazarana izao. Atambaro ny hery fa voninahim-pirenena no hotandrovina amin'io.
Fotoana ihany koa izao no hanampiana ity tanàna ity, mba ho tena mendrika marina izany renivohitra izany. Ahoana ny Lapan'ny tanàna ? Misy ihany ve ilay fanampiana ara-bola sa tsy misy indray ? Antenaina fa tafiditra ao anatin'ilay fotodrafitr'asa hipetraka eto ity Lapan'ny tanàna ity, ka hiroso tsy ho ela ny asa. Sa handrasana PDS vao ho hita taratra ny tena fiovana eto ?




Fanampiana ara-bola ny mpitatitra
Mety tsy hanome intsony ny fanjakana
Manaraka ny fitsokan'ny rivotra eran-tany ny vahoaka Malagasy. Nidina hatrany amin'ny 70 dolara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ary dia maro no faly manoloana izany. Isan'io isika eto Madagasikara, satria efa nananika ny 140 dolara io teo aloha. Io vidiny farany io no nahatonga ny mpitatitra manerana ny nosy hampiakatra ny saran-dàlany hatrany amin'ny 80% ho an'ny mpitatitra sasany. Izay tsy nampiakatra ny saran-dàlany kosa, dia nampanantenain'ny fanjakana fa omena ilay fanampiana manokana. Maro no efa nahazo izany, indrindra ny teto an-dRenivohitra.
Mila fitsitsiana
Efa nidina hatrany amin'ny 70 dolara ilay 140 dolara teo aloha. Midika izany, fa hidina ihany koa ny vidin'ny solika eto Madagasikara atsy ho atsy. Mifameno tsara amin'ny filan'ny mpitatitra io. Tsy hisy intsony hilaza, fa hampiakatra ny saran-dàlany noho ny halafon'ny solika jifainy eny amin'ny mpanjifa. Miara-miaky ny rehetra, fa mbola tsy nisy fiantraikany eto amin'ny tsenan-tsolika eto Madagasikara io fidinany eo amin'ny tsena ivelany io, saingy tsy maintsy midina io afaka volana vitsy. Mety tsy hisy intsony noho izany fanampiana ataon'ny fanjakana. Ho zakan'ny mpitatitra ny vidiny eny amin'ny mpaninjara afaka fotoana fohy. Mila fitsitsiana ihany koa ny volam-panjakana satria io efa hiarahana mahita io ny krizim-bola maneran-tany. Tafiditra ao anatin'ny politikam-panjakana ny fahaiza-mitantana, indrindra ny tsy firobarobana. Vola be no natokana hanampiana ny mpitatitra, ary azo soroana tsara ny tsy hivoahan'ny volam-panjakana.
Manomboka midina ny saran-dàlana
Porofo hilazana fa mitsoka malefaka eto Madagasikara ny rivotry ny fidinan'ny sandan'ny barila ho 70 dolara eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, dia nidina hatrany amin'ny 30% ny saran-dàlana mihazo ny faritra. Isan'io ny zotra mankany Atsimo rehetra iny. Mitsimbina ny mpanjifa eto ny mpitatitra. Tsy nisy ny fanararaotana, satria niteraka fahavoazana ho an'ny mpandeha mitaingina fiara mivezivezy ivelan'ny renivohitra izany. Ao anatin'ny fotoanan'ny maintso ahitra ihany koa isika. Tsapa fa tsy dia nisy fiakarany firy ny vidin'entana eny an-tsena. Mbola mitobaka ny sakafo. Tsy nampiakatra ny vidim-bokany ny tantsaha satria mifanaraka amin'ny ilana azy ny saran-dàlana nalaina taminy. Miara-miaiky anefa isika, fa maro no tsy afaka miliba amin'ireny sakafo amidy eny rehetra eny, satria ny ho enti-manana no tsy maharaka. Manantena ny rehetra, fa tsy hisy ny fanararaotana eo amin'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro"PPN", ka na hipoitra aza ny krizy ara-bola eran-tany, dia mety ho eo amin'ny 2,1% no ho fiakatry ny vidim-piainana eto. Efa betsaka io amin'ny madinika, nefa ho voatazona amin'izany ve ity vidim-piainana ity ?




Any Comores ?
Mangataka ny vahoaka sasany leo ireto mpanao pôlitika sasany ireto mba alefa any Comores izy ireny. Fa maninona no any Comores ? Satria izy ireo ihany, teo imasom-bahoaka sy avoriana tao Toliary, no nangataka tamin'ny filoha Ravalomanana, ny hanaovana karazana sesitany ireo mpanohitra. Amin'izao fotoana izao, lasa mpanohitra izy ireo ka moa ve tsy mety ny hangatahana ny handefasana azy ireny any Comores ?
Tsy dia taitra amin'ny resaka pôlitikam-panoherana ny vahoaka, fa rehefa miteny izy dia maha-sadaikatra be ihany. Toa ny pôlitikan'ny mpanohana ny fitondrana aza no indraindray mahaliana azy. Raha tsorina dia ny politikan'ny kibo izao no malaza fa raha ny hafa dia tazanin-davitra fotsiny. Ahoana tokoa moa no inoana ireto milaza hoe mpanohitra fa toa misafotofoto be ihany ; mivadibadika toa lela may, na ny fihetsiny na ny zavatra teneniny.
Omaly ianao mpitarika sendika ary niady tamin'ny fanjakana sy ny ministera amin'ny anaran'ireo sendikalista mpiara-mitolona taminao. Lasa ministra ianao dia nanangana ady tamin'ireo nifidy anao ho filohan'ny sendika indray no anton'asa sy vaindohan-draharahanao. Rehefa tsy ministra intsony ianao dia mijoro ho mpanohitra indray ary mitarika ireo nofehezinao taloha hanaraka ny hevitrao hanohitra indray ny filoha napetrakao tamin'ny fitondrana sy nanendry anao ho ministra. Inona no tena marina ?
Omaly ianao mpitaritafika izay napetrak'ity fitondrana ity tamin'ny toerana tena lehibe indrindra teto an-drenivohitra. Tsy nisy izay tsy nahalala sy tsy natahotra anao ny faritany iray manontolo, na teratany na vahiny. Niova moa ny rafitra ka nesorina teo amin'izany toeram-boninahitra izany ianao. Tsy ela akory ianao dia nijoro ho mpanohitra rain-dahiny ary misarizoro ho olobe etsy sy eroa. Toa misavika ho mpisolo vava ny zanak'Antananarivo aza raha ny fihainoana azy.
Ao moa farany teo dia misy sahy miseho hoe nifoha tamin'ny torimasony indray ka hisehatra eo amin'ny fanoherana toa ny teo aloha.
Mazava fa malalaka tokoa ny sehatra pôlitika. Raha tsy izany ve ka avy ao amin'ny AREMA aho dia mivadika TIM ? Ary tena isan'ny lohandohan'ny mpisorona mihitsy tamin'izany ! Ary tena izaho irery no tena TIM. Namboatra lalana sy tatezana" aho tamin'ireny krizy ireny. Taty aoriana aho dia nenjehiko ireo mpanohitra tany amin'ny faritany, indrindra ireo tao Toliary. Nangatahiko mihitsy aza ny filohampirenena tamin'izay hoe "alefaso any Comores any ireo mpanohitra ireo".
Ahoana moa no inoaka fa tena marina izao fanoherana izao ? Toa maha te-hiantso an'i Herizo Razafimahaleo hoe aiza ianao fa tena mivaralila ny maro amin'ireto mpanohitra. Toa may fotsiny ny te-halaza. Toa tsy fantany fa mandoto rano ny fanoherana no tena mafotaka. Toa manao izay tsy hampandeha ny demokrasia izay nimatimatesanao sy ny mpiara-dia amin'ny antokonao. Nefa ny fanjakana anie ka milaza koa hoe ilaina ny hanamafisana ny demokrasia e ! Ny fidedadedahana etsy sy eroa ve no tena demokrasia sa ny fanomanana sy fanajariana ny rafitra sy ny tetika handresen-dahatra ny vahoaka fa ity no lalana ivoahana amin'ny fahantrana ?




Maso lavitra
Mifantoka any amin'ny firenena tandrefana ny sain'ny mpanara-baovao maro. Hanao ny fifidianana izay ho filohampireneny ny Amerikana ny 4 novembre izao. Fifidianana izay hifantohan'ny saina satria tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin'izao tontolo izao izay ho filoham-pirenena mety ho lany eo.
Tsy idirana lalina ny momba ny kandida repoblikana sy ny demokraty, dia ingahy Obama sy Mc Cain, fa ny ho fihodin'ny tantara manerana izao tontolo izao no mahaliana ny maro. Manana ny politika izay heveriny hitondrana ny fireneny izy mirahalahy ireto, indrindra fa ny olana momba ny krizy ara-toe-karena maneran-tany. Efa hita taratra ireo mandritra ny fampielezan-kevitra izay ataony, satria manana maso lavitra isika afahana mitaratra izany. Inona no lesona azo tsoahiny mandritra izany fampielezan-kevitra izany ? Maro izy ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahalalahan'ny haino aman-jery any mivoy ny hevitry ny kandida. Toa mandry ivohon'ny vato ny kandida ny mety tsy hisian'ny hosoka amin'ny latsabaton'ireo mpifidy vaventy. Tsy ho pitsiriritra foana anefa isika, fa mba ho tsiriritina ihany koa amin'ny sehatra maro toy izao fifidianana atao any Amerika izao. Ny fifidianana eto mbola ny taona 2012 vao hisy. Nahoana raha ny famerenantsika ny kolontsaina malagasy indray no atao ho fitaratra manerana an'izao tontolo izao. Mba manana maso lavitra ihany koa izy ireo afahany mitazana ny zava-misy eto, indrindra fa ho tonga vahiny isika eto Madagasikara ato ho ato. Sa tsy mety izany ?




Ho avy ny vahiny
Be ny mangataka fampihavanam-pirenena
Miala any indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Fampihavanana izay heverin'ireo mitaky izany hatao, mba ahamendrika antsika eo anoloan'ireo firenea maro ho avy eto Madagasikara manomboka ny taona ho avy iny. Atambaro ho iray ny firaisan-tsaina ho taratr'izao tontolo izao, ny halehiben'ny soatoavina malagasy. Malagasy miray hina, mandresy ny sarotra, ary fanoitran'ny ho avy. Io no voarakitra ao anatin'ny taratasy izay haparitaka eny anivon'ny vahoaka, ary hanangonana sonia manomboka ny volana novembre izao. Eny anivon'ny fokontany no hiaingan'ireo olona hanangona ity sonia ity, ary halefa eny anivon'ireo mpitondra isan'anambaratongany. Tsy mbola fantatra kosa anefa ireto komity ireto na iza na iza, fa any Antsiranana no fantatra fa hanombohan'io. Fampihavanam-pirenena tsy ilana fizarana toerana, fa fifamelana no atao. Hapetraka ho ren-tany aman-danitra fa malagasy mahay mifamela sy mifankatia no eto. Ireo fahendrena navelan'ny razana tany aloha no ho tohizana, ary hatsahatra hatreo ny ady lahy politika tsy hifankahitana eto.
Manoloana ity fangatahana ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena ity, dia tsy fantatra mazava ny olona mety ho voakasiky izany. Mety ho ireo voakasiky ny raharaha 2002 ve sa ireo heverina fa mpanao politika vao nampidirina am-ponja tato afara ?
Ho hita eo ny tohiny, fa asa na hazoto amin'izany ireo olona heverina fa hanao sonia izany fangatahana izany na tsia, fa dia i Antsiranana izany aloha no heverin'ny sasany fa mety ho resy lahatra voalohany momba ity fitakiana mialohan'ny hatogavan'ny vahiny amin'ny fivoriana antampony aty Afrika amin'ny taona 2009 sy 2010 ity.




FJKM Anosipatrana
Nitomany ny mpino
Rava indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin'ny fiangonana Anosipatrana FJKM ny alahady lasa teo. Tsy nisy nanaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany, ka na ilay Pasitera Delege aza tsy afaka niteny teo anatrehan'ny mpino marobe tonga nihira sy nivavaka.
Nivoaka ny efitrano ireo mpomba ny pasitera mpisolo toerana. Nivavaka tao anatiny kosa, ireo mpomba ilay noesorina. Nidina lakile ny zava-maneno, ka nanao hira zafindraony no nataon'iretsy tsy nahazo zava-maneno. Nitomany nigogogogo ireo mpino, satria izao ve sisa no hiafaran'ny zanak'Andriamanitra ?
Be siasia tokoa isika olombelona, ka na dia ny fifandeferana faran'izay bitika aza tsy hita. Inona no fepetra raisin'ny FJKM foibe fa manala-baraka ny finoana FJKM ny toy izao ?




Taratasy misokatra
Inona marina ?
"Inona marina ny zavamisy ao amin'ny Synodaparitany Antananarivo Andrefana 10 FJKM ? Hoy i Paoly araka ny Epistily voalohany nalefany ho an'i Timoty toko faha-3 andininy 1 ka hatramininy faha-3 "Mahatoky izao teny izao : Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana mahonon-tena, hendry, tia filaminana mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola".
Ny vy tsy mikitrana irery raha tsy misy mampikitrana azy. Fiteny ny taolo ireo ary marina. Noho izany tsy misy ny korontana ao amin'ny fitandremana raha tsy misy devoly manakorontana. Misy 36 ny Synodamparitany mifehy ny Fitandremana manerana an'i Madagasikara. Ny fanontaniana dia hoe : manao ahoana ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana fa toa hafakely. Toa liana amin'ny korontana izy ireo.
Atao ohatra taona vitsy izay dia nikorontana ny Fitandremana FJKM Isotry Fitiavana ary saika tsy nety nilamina, tao Andavamamba Filadelifia sy ny sisa. Amin'izao fotoana izao dia mangotraka ny raharaha ny Anosipatrana FJKM izay nanalany an-terisetra ny mpitandrina izay tena mitory sy mampianatra marina ny Tenin'Andriamanitra. Fantatra koa fa anisan'ireo fitandremana antsoina ho lehibe ihany, ka tsiriritin'ny mpitandrina ny hitondrana an'izany fitandremana izany ka tadiavin-dry zareo ny hevitra hanalana ny tompon-toerana. Sendra ny diakona vitsivitsy nanana lolom-po tamin'ny mpitandrina ka tsy nahazaka ny teny sy anatra mafy nahazo azy ireo noho ny zavatra nataony izay tsy mendrika ny maha-Mpandray ny Fanasan'ny Tompo sy ny maha-Diakona, dia ireo indray no nioko ka nanenjika ny mpitandrina ary nambarany fa "mpitandrina tsy tia mahantra fa ny mpanambola ihany no mahazo avara-patana, masiaka, manopa olona sy ny tsy hay tanisaina fa mahamenatra" dia lasa nivadika ny mpitandrina indray no meloka ka dia namoronana "dossier sandoka" ary nentina nihazakazaka nakany amin'ny Synodamparitany, ary napetraka ho fitarainana.
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia navadika ho fitoriana noho ny toro-hevitra avy tamin'ny manampahefana tao amin'ny Synodamparitany satria raha fitarainana fotsiny mantsy dia tsy azony raisina fa tsy maintsy ny biraon'ny fitandremanana no mandray azy. Tafaray izany ny tia sy ny manina ka ny olom-ben'ny Synodamparitany nitady toko, ireto andian'olona vitsivitsy kosa tonga nitondra alahelo natao vato.
Soa ihany fa miasa Andriamanitra ary nampiasany ny laika sy mpitandrina sasany tsara sitrapo ao amin'ny biraon'ny Synodamparitany, afaka nampandre sy nampitandrina ny Kristiana Miaro ny Fahamarinana "K.M.F" izay mitsipaka ny fanampan-kevitrin'ny Synodamparitany.
Raha tsorina dia tsy mety milamina na mandry ny ao amin'io Synodamparitany. Efa nolavin-dry zareo mpitandrina mifehy ny Synodamparitany ve ny fampianarana natolotr'i Paoly. Aminay laika dia toa fanjakan'ny nofo no manjaka izay heverinay fa mifanalavitra amin'ny zavatra andrasana aminy.
Farany, raha tiana ny hampilamina an'ireo fitandremana mikorontana ao amin'ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana ireo, dia mangataka ny FOIBE FJKM mba handray ny andraikitra, ka handrava ny Birao sy ny FIFAMPI ao amin'io Synodamparitany io ary hamerina amin'ny toerana ireo mpitandrina izay noesorina tamin'ny tsy rariny, ary mangataka koa ny BIANCO mba hiditra an-tsehatra am'izao raharaha izao".
Jaona (Laika ao Anosipatrana)




Fanitsiana
Dian'ny Filoha Marc R. tany Canada
Tompoko,
Malagasy mipetraka aty Canada ny tenako ka mangataka fanitsiana ny article navoakan'ny gazety " Madagascar Tribune " tamin'ny alakamisy 23 oktobra teo mikasika ny fandalovan'ny delegasiona malagasy taty Québec namonjy ny fihaonambe faha-12 ny Francophonie. Victor Rakotoniaina no anarako ary izaho no filohan'ny Gasy Miray eto Québec. Izao manaraka izao fanitsiana maromaro hangatahiko :
* Tao amin'ny Église Catholique Saint-Charles Garnier teto Québec no natao ny fotoam-pivavahana fa tsy tany amin'ny Église évangélique Luthérienne Sherbrooke araka ny voasoratra akory ;
* Fihaonana tamin'ny malagasy rehetra eran'i Canada no nisy fa tsy ny mpiray tanindrazana tao Sherbrooke fotsiny akory ;
* Victor Rakotoniaina no anarako ary Filohan'ny GASY MIRAY eto Québec aho fa tsy filohan'ny Gasy Miray any Sherbrooke. Tokana ny Fikambanana GASY MIRAY ary eto Québec ihany no misy fa tsy any Sherbrooke.
* Mbola izaho Victor Rakotoniaina ihany no niharahaba ny Filoham-pirenena sy ny délégation niaraka taminy ary nisolotenan'ny malagasy rehetra aty Canada (DIASPORA).
* Teto amin'ny ville de Québec no nitranga sy natao ny zavatra rehetra fa tsy tany Sherbrooke fa ny Pasitora Razafy Razafindrakoto izay mitondra fiangonana Loteriana any Sherbrooke no nitondra ny fotoam-pivavahana izay niharahana nanatrika tao amin'ny Église Catholique Saint-Charles Garnier teto Québec.
Koa miangavy ny nanoratra ny article aho tompoko mba hanao ny fialan-tsiny amin'ny olona sy ny ambaratonga voakasika izany ary hanao ireo fanitsiana ireo ao anatiny édition-'ny " Madagascar Tribune " akaiky indrindra izao fangatahako izao ".
Miangavy koa aho mba handefasana manokana copie-ny article voahitsy mba hafahako mampita izany hoan'ny Mpikambana ao amin'ny fikambanana Gasy Miray Québec tarihiko mba tsy hisian'ny fanenjehana ho manao USURPATION DE TITRE ka toy izao manaraka izao ny adiresiko : rako265yo@hotmail.com Misaotra mialoha tompoko.
NDLR : Miala tsiny indrindra raha toa nisy diso ny voatatitra tao amin'ny lahatsoratra fa tsy avy amin'ny gazety " Madagascar Tribune " ireny vaovao ireny. Tsy nanana mpanao gazety nasaina nanaraka ny filoham-pirenena izahay satria tsy voaantso ho amin'izany. Ny loharanom-baovao dia ny Fiadidina ny Filoham-pirenena sy ny Repoblika izay nanana ny mpanao gazetiny niaraka taminy tany. Izahay dia nampiasa ny vaovao sy ny sary nampitainy avy tany ivelany toa ny fanao tsindraindray. Ianareo niaina ireny zavatra ireny tany an-toerana no afaka manamarina izay voambara koa dia isaorana amin'ny fihetsika ataonareo. Marihina fa ianao no fahatelo amin'ireo nanao ny fantasmagorie. Midika izany fa misy mpamaky hatrany lavitra any ny gazetinay ary fampaherezana ho anay izany.
Ny fiadidina ny lahatsoratra an-gazety ato amin'ny " Madagascar Tribune "




Vakinankaratra
Andron'ny fizahan-tany : Nanao fanamby Vakinankaratra
Mila fantarina mazava tsara ny fiovaovan'ny toetr'andro mba ahafahana mitily ara-dalana ny fotoana mahamety ny fotoam-pambolena, na koa hisintonana mpizahan-tany. Toko telo nahamasa-nahandro sy mifampiankina tanteraka ny sakafo, ny famatarana ny toetr'andro ary koa ny fizahan-tany ka izany no antony nahatonga ny fanamarihana iraisana ny faran'ny herinandro teo teto amin'ny faritra vakinankaratra. Ny tahalan'ny kolontsaina teto Antsirabe no nanamarihana ny hetsika dia ny andro maneran-tany hoan'ny sakafo, ny andron'ny famatarana ny toetr'andro ary ny andron'ny fizahantany. Arak'izany lanonana goavana nandritra ny 2 andro izany no nanamarihana ireo hevi-dehibe telo ireo ary natambatra tamin'ny alalan'ny lohahevitra iombonana "vakinankaratra : fanamby ho amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro".
Diabe namakivaky ny Tanana narahin'ireo cyclo-pousse voahaingo, lanonana sy kabary ofisialy, fampirantiana ireo tanjaky ny faritra tamin'ny alalan'ny tranoheva, famelabelarana narahina ady hevitra, dia lavitra ambisikilety, hetsika ara-java-kanto sy ara-pantanjahan-tena ireo no nanamarika ny hetsika ny 24 sy 25 Ocotbra lasa teo.
Ireo tompon'andraikitra rehetra nadray fitenenana, ny avy ao amin'ny ORTVA, ny Tanana, ny faritra ary ireo ministera voakasika dia samy nanasongadina fa mifampiankina tanteraka ireo toko telo ireo ary tsy misy azo atao z'inona raha samy manana ny tanjona iombonana ny rehetra dia ny asa fampandrosoana ; Tsy tomombana anefa izany raha toa ka mbola misy ny mpanimba ny tontolo iainana satria ireny no miteraka fikorontanan'ny toetr'andro ka manaratsy ny vokatra sy mampiahotra ireo mizahan-tany ho avy aty amintsika, noho izany samy ho tompon'andraikitra ny rehetra eo amin'ny fanafoanana na fanenana ireny mikiry manao habibiana amin'ny zava-boary ireny mba ho tanteraka ny olona ampy sakafo anaty tontolo mahafinaritra hifanerasaerana amin'ny vahiny.
Ny talen'ny kabinetran'ny minisiteran'ny famatarana ny toetr'andro ny DG avy ao amin'ny Ministetran'ny tontolo iainana ny Ala sy ny fizahan-tany , ny filohan'ny ofisy rejionalin'ny fizahan-tany eto vakinankaratra, ny avy ao amin'ny faritra sy ireo manam-pahefana maro no tonga nanoe voninahitra ity lanonana goavana teto antsirabe ity.




Atombohy ny asa
Tsy ho diso isika raha manomboka mifantoka any amin'ilay fivoriana atao eto mandritra ny roa taona ny resaka. Fivoriana izay hanokatra ny làlan'i Madagasikara eo amin'izao tontolo izao. Ny fomba amam-panaontsika no tena ahasarika na tsia ny vahiny.
Midika izany fa ny kolontsaina Malagasy no andeha omena lanja lehibe. Manana andraikitra goavana amin'io ny ministeran'ny Kolontsaina. Tsy tambo hisaina io kolontsaina mampiavaka antsika io, ary mila trandrahana dien'izao, mba tsy ho sanatria resaka tsy naha-taitra toy ny seho teo amin'ny kianjaben'i Mahamasina toy ny tamin'ny lalaon'ny nosy farany teo no hiseho. Manana adidy goavana amin'io ny olo-be isam-paritra hitondra sy hampahafantara izany amin'ity fivoriana ho atao eto Madagasikara ity. Tsy ho voatery ho fantatry ny vahiny ao anatin'ny fotoana fohy izany, fa ny fametrahana izany ho horonantsary, ary amparitaka any amin'ireo firenena handray anjara amin'ny fivoriana eto no mety. Harena tsy hita pesipesenina ny antsika, ary hampiharahana amin'izany ny hankaton'ny zava-boahary sy ny harena misy eto. Iza no tsy hitsiriritra ireo raha mahita.
Atombohy ny asa, fa tsy vitan'ny fametrahana ny fotodrafitr'asa goavana ihany ny raharaha tahaka izao. Manana manam-pahaizana maro isika, ary midika izany, fa efa fandraisana antanana ny fianam-pirenena ny fizarana andraikitra dien'izao.




Tsy misy tombo sy ala
Hentitra ny filoham-pirenena Ravalomanana, nilaza fa tsy asiana tombo sy ala ny fanampiana ireo kaominina eto Madagasikara. Fanamafisana izay efa voalaza tany aloha izay midika fa Malagasy iray ihany isika eto fa tsy hijerena lokon'antoko.
Toa fanamafisana izay efa voalaza tany aloha io nambaran'ny filohan'ny nosy tamin'ny tenin'ny filoham-pirenena isaky ny alahady io. Endrika iray entina hampisehoana amin'ny vahoaka, fa manampy ny fanjakana fa raha misy asa tsy tontosa, dia anjaran'ilay ben'ny tanana no tsy nahefa ny adidiny.
Mifantoka tanteraka amin'ny tranga izay nampifanolana ny fanjakana sy ny kaominina teto andrenivohitra volana vitsy lasa izay. Toa tsy mbola misy miainga ireo tetikasa goavana nampanantenaina ny vahoaka. Isan'io ny lapan'ny tanana etsy Analakely. Ny orinasa nahazo ny tolo-bidy aza tsy mbola fantatra. Ny etsy Andohalo, izay mbola ho lavitry ny nifanarahana ihany no ahavitan'io sehatra maintso manana ny tantarany io. Antsonjombe izany aloha, dia mbola ho nofy. Misy kosa ny efa vita, izay mendrim-piderana avy amin'ny mponina ireny. Tsy ny eto andrenivohitra ihany no ahitana fikatsoan'ny asa toy izao, fa manerana ny kaominina maro. Efa nisy ny fampiofanana ireo ben'ny tanana, nefa afaka hitarafana ny fomba fiasany aty aoriana ve ireny ? Tsy misy tombo sy ala ny fanampiana ny kaominina, koa antenaina, fa hisy fiovana ao anatin'ny fotoana voafetra ny tanana, indrindra fa manakaiky ilay fotoam-pivoriana hanomboka amin'ny herintaona.




Fanapariaham-pahefana
Mihetsika ireo kaominina any Fianarantsoa
Ambohipihaonan'ireo ben'ny tanàna ao anatin'ny faritra Ambonin'i Matsiatra sy ireo faritra manodidina ny ao Fianarantsoa nanomboka ny alarobia teo. Manao varavarana misokatra eo anoloan'ny biraon'ny faritra ny fikambananan'ny kaominina antsoina hoe : Andohamatsiatra, ahitana ireo kaominina 14 manamorona ny renirano Matsiatra. Natao ho fampahafantarana ny asan'ny kaominina sy ny fikambanana no tanjona amin'izany. Tsy ireo ben'ny tanàna ao anatin'ny fikambanana ihany fa hatramin'ireo fikambanana kaominina avy amin'ny faritra hafa koa. Toy ny fikambanana kaominina ao amin'ny faritr'i Horombe, hatrany amin'ny fikambanana Miarisoa any amin'ny faritr'Itasy, dia tonga tany Fianaranstoa avokoa.
Nanatrika ny fotoana tany an-toerana ny tale jeneralin'ny Fanapariahampahefana eo anivon'ny ministeran'ny Ati-tany, Guy Rivo Andrioanarisoa sy ireo talen'ny sampandraharaha misy ao aminy. Ilaina tokoa ny fikambanana kaominina toy izao mba hahamora ny asa fampandrosoana sy ny fahazoana fanampiana, hoy ny lahateniny. Ho avy ny vola fanampian'ny fanjakana ny kaominina amin'ny alalan'ny FDL na ny tahirim-bola ho fampandrosoana ifotony.
Fampidiran-ketra
Ny fampidiran-ketra no haingana indrindra amin'ny fahazoam-bolan'ny kaominina ka atao izay fanentanana rehetra ho an'ireo mponina ao aminy. Mba hamparisika azy ireo dia atao hita maso na azony tsapain-tanana ny vokatry ny fandoavan-ketra. Ohatra ny fanamboaran-dalana na fanatsarana atao amin'ny toerana izay fampiasan'ireo mpandoa hetra matetika. Tsy atao ho fampandehanan-draharahan'ny kaominina akory ny vola azo avy amin'ny hetra fa hanaovana asa fampandrosoana mivaingana, hoy ihany ny fanazavany teo anoloan'ireo ben'ny tanàna hatramin'ny 120 nanatrika ny fotoana. Toy ny fanazavan'ny ben'ny tanànan'Andranovorivato, sy ny ben'ny tanànan'i Vohimarina samy ao anatin'ny fikambanana Andohamatsiatra, izay milaza fa ilaina tokoa ny fikambanan'ny kaominina tahaka izao mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hifanakalozana fahaiza-manao.




Mazava loatra
Mazavazava ratsy ihany aloha hatramin'izao ny fanantenana eo amin'ny Malagasy. Araka ny nambaran'ny mpitondra isan-tsokajiny, dia tsy dia hisy fiantraikany loatra aty amin'ny toekarena malagasy ilay krizy any amin'ny tany mandroso amin'izao fotoana izao. Hitondra ny tsara aza noho ny fidinan'ny vidin'ny solika maneran-tany. Saingy izao indray no mampanontany tena, tsy hisy fiantraikany aty amintsika koa izany io, raha izany no zohiana ?
Amin'ny saina tsy miangatra, nidina io vidin-tsolika io tany amin'ny volana septambra tany ho any. Dia nanaraka koa ny teto Madagasikara. Voalazan'ny talen'ny Fikarohana ara-toekarena sy statistika ao amin'ny OMH (Office malgache des Hydrocarbures) tao amin'ny fampielezampeom-pirenena, omaly, fa ny Sp 95 dia nilatsaka 1%, ary ny gasoil 3 %, ny datin'ny 25 septambra teo. Taoriana kely, nanaraka koa ny super essence, latsaka Ar 11 isaky ny litatra, ary ny essence tourisme Ar 5 isaky ny litatra. Tokony azo antenaina ny fidinany bebe kokoa atsy ho atsy, satria efa ho 50 % ny fidinany any amin'ny tsena iraisam-pirenena. Mbola hilaza ny fijeriny ny OMH, afaka fotoana fohy.
Ankoatra izay, mbola io krizy ara-toekarena io ihany. Ankalazaina anio ny Andro iraisam-pirenena momba ny fizahantany. Sehatra tsy mbola matahotra ny rivotra mitsoka, araka ny fanazavan'ny talem-paritry ny fizahantany eto Antananarivo. « Tsy ny mpitsangatsangana no ho voatampoka amin'ity toe-javatra ity, satria ny azy efa voahomana herintaona mialoha, fara fahakeliny, ny diany ho aty amintsika ». Koa inona indray moa no tadiavina mihoatra izany... Milamina izany ! Mazava loatra fa ry zareo mpandraharaha ihany izany sisa no toa milaza ho mijaly. Ny azy angamba tsy ho hita loatra ny fiantraikan'ny tsy fetezan'ny asany. Vahoaka tsy mandady harona anie no maro eto e...




Tany lonaka
Tsy kivy tsy ketraka ny mpitondra fanjakana eto amintsika, manoloana izay krizy mety hitranga. Zakan'ny hafa ve tsy ho zakantsika, nefa mihoitra hatrany raha mbola misy ny azo atao. Ny famokarana amin'ny lafiny maro no tanjona. Ambetin-dresaky ny mpitondra eto amintsika io. Mamokatra sakafo maro isan-karazany i Madagasikara. Voalaza fa nitombo avo roa heny ny voly toy ny vary sy ny apemba izay mamokatra in'efatra ao anatin'ny taona iray. Manana ny ampy i Madagasikara raha eo amin'ny lafiny sakafo no asian-teny, saingy ny tsapa, dia mbola manafatra vary aloha isika entina hamatsiana ny mponina eto.
Tany lonaka ny nosintsika, ary azo atao tsara ny mampitombo ny voly fanondrana sy ny ampiasaina eto. Ny mampalahelo anefa, dia ny fanararaotana eo amin'ny mpijirika, ka tsy misy fiantraikany any amin'ny tantsaha tena mpamboly izay nisasarany. Hambara fa ny 80% ny malagasy, dia saika miaina any amin'ny tontolo ambanivohitra avokoa. Mbola io 80% ihany koa anefa no tarehi-marika amin'ny fahantran'ny Malagasy ? Misy lesoka tokony harenina ao, fa tsy sanatria vitan'ny resabe ambony latabatra fotsiny. Io fiantraikany any amin'ny vahoaka io no tena handrasan'ny vahoaka amin'izao fotoana, ka ampiasao ny tena politika hampisondrotra ny ambany, fa raha tsy izany, dia lasa resaka fotsiny no bobaka eto.




« Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay ».
dia nodimandry ny Alarobia 29 Oktobra 2008 teo amin'ny faha-59 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAZAKAHARISOA Jacqueline
Ny zanany :
RANDRIANALIMANANA sy Vero
ANDRIAMAHOLY Mandaniaina M.
Ny iray tampo aminy
RAVELOMANANTSOA Julie sy ny zanaka aman-jafiny
RAZAIARISOA Beby sy ny zanaka aman-jafiny
RAVELOMANANTSOA Raymond sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTONIAINA Nivondrahona mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAHOLIMALALA Harisoa N. sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAHOLY Maharo Harilaza mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAVELOMANANTSOA Soloniaina Emile sy ny zanaka aman-jafiny
EXPEDIT CASSANTE mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RANDRIAMANGA Mihanta mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA René mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA Anselme mivady sy ny zanany.
Ny iray tampo amin'ny vadiny _Terak'Itompokolahy RAKOTOARISON William sy Anasthasie
Terak' Itompokolahy RAKOTOARISOA Charles sy Bernadette
RAKOTOARIMANANA Léonard mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA Marcel sy ny zanany.
Ny havany sy ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny SME
Ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy
Ny FJKM Anjanahary Maritiora
Ny FJKM Tsimahandry
Ny Fokontany Anjanahary II O
Ny Fokontany Ankazonandriampianinana Tsimahandry.
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony Anjanahary II O 25 B Bis ny Zoma 31 Oktobra 2008 amin'ny 11 ora atoandro, entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy mialoha ny hametrahana azy any amin'ny fasan-drazany any Tsimahandry Ambohidratrimo.
« N'inona n'inona hitranga, Jeso
Na ny lanitra ho manga, Jeso
Na ho maloka mangina, Jeso
Dia ho feno fifaliana, Jeso.
(Fihirana FFPM 488)




« Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fa ny malalanay ».
dia nodimandry ny Alarobia 29 Oktobra 2008 teo amin'ny faha-59 taonany.
Hoy,
Ny vadiny :
RAZAKAHARISOA Jacqueline
Ny zanany :
RANDRIANALIMANANA sy Vero
ANDRIAMAHOLY Mandaniaina M.
Ny iray tampo aminy :
RAVELOMANANTSOA Julie sy ny zanaka aman-jafiny
RAZAIARISOA Beby sy ny zanaka aman-jafiny
RAVELOMANANTSOA Raymond sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTONIAINA Nivondrahona mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAHOLIMALALA Harisoa N. sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIAMAHOLY Maharo Harilaza mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RAVELOMANANTSOA Soloniaina Emile sy ny zanaka aman-jafiny
EXPEDIT CASSANTE mivady sy ny zanaka aman-jafiny
RANDRIAMANGA Mihanta mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA René mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA Anselme mivady sy ny zanany.
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Itompokolahy RAKOTOARISON William sy Anasthasie
Terak' Itompokolahy RAKOTOARISOA Charles sy Bernadette
RAKOTOARIMANANA Léonard mivady sy ny zanany
RAVELOMANANTSOA Marcel sy ny zanany.
Ny havany sy ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny SME
Ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy
Ny FJKM Anjanahary Maritiora
Ny FJKM Tsimahandry
Ny Fokontany Anjanahary II O
Ny Fokontany Ankazonandriampianinana Tsimahandry.
Ny nofony dia hiala ao amin'ny tranony Anjanahary II O 25 B Bis ny Zoma 31 Oktobra 2008 amin'ny 11 ora atoandro, entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy mialoha ny hametrahana azy any amin'ny fasan-drazany any Tsimahandry Ambohidratrimo.
« N'inona n'inona hitranga, Jeso
Na ny lanitra ho manga, Jeso
Na ho maloka mangina, Jeso
Dia ho feno fifaliana, Jeso.
(Fihirana FFPM 488)




Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesinay anareo, fa sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny hava-malalanay :
Ny Talata 28 Octobra 2008 tany Durban (Afrique du Sud).
Hoy,
Ny vadiny :
RAVONINJATOVO Jeannine
Ny zanany :
RAJAONARISON Faly sy Misa Hanitriniony
RAVONINJATOVO Mboahangy Andriampeno
RAVONINJATOVO Iariliva Andriatsihoarana
Ny zafikeliny :
RAJAONARISON Hendry Nekena
Ny iray tampo aminy :
Mme Veuve RAVAOARINIVO Victorine sy ny zanaka aman-jafiny
RASOLONJATOVO Valentin sy Sabine sy ny zanaka aman-jafiny
ANDRIANARY William sy ny zanany
RAVELOARISON Noronjatovo Aimée
RATEFY Tovontsoa sy Nivo sy ny zanaka aman-jafiny
Dr RANDRIANJATOVO Veloson Léon sy Noro sy ny zanany
RANDRIANARIMANANA Jean Louis sy Claudine
Ny iray tampo amin'ny vadiny :
Terak'Itompokolahy RAKOTOARIVELO Léon
Mme Veuve RAJAONARIVO Hanta sy ny zanaka aman-jafiny
RAJAONARIVONY Michel sy Voahangy sy ny zanany
RAFATRO Olivier sy Jacqueline sy ny zanany
RAFATRO Richard sy Lilly sy ny zanaka aman-jafiny
Ny fianakaviana manontolo
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Ministeran'ny Ekonomia, ny Varotra ary ny Taozava-baventy
Ny mpiara-miasa rehetra ao amin'ny SIDEMA
Ny fokontany Mandialaza Ambodivona
Ny fokontany Soalandy Ankadivoribe Atsimo
Ny fiangonana EKAR Faravohitra
FJKM Ankadivoribe Famonjena
Ny razana dia ho tonga eny Ivato ny sabotsy 01 novambra 2008 amin'ny dimy sy fahatelony hariva , ary hivantana ao Mandialaza Ambodivona Lot IVI 50 bis.
Ny nofony dia hiala ao ny Alatsinainy 03 novambra 2008 amin'ny 12 ora . Ho entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hatao veloma farany ao amin'ny EKAR Faravohitra alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Soalandy Ankadivoribe atsimo.
"Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy,
ary aoka Izaho no hitokisan'ny vadinao mpitondran-tena..."
(Jeremia 49 : 11)




Manjakazaka
Raikitra izany, fa ny fanjakana no hanafatra solika any ivelany. Tsy hisian'ny fanararaotana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika no anton'io. Fantatry ny rehetra tokoa fa na dia efa tafidina hatrany amin'ny 60 dolara aza ny vidin'ny solika, dia mbola mitazona ny vidiny ambony ihany ny eto amintsika. Fanararaotana tsy misy tahaka izany hoy ny mpitazana, ka rariny raha mandray fepetra hentitra ny fanjakana.
Tsy tokony ny vidin'ny solika ihany anefa no hakana fepetra toy izao, fa izay entana ilain'ny vahoaka, rehefa misy endrim-panararaotana hafa. Isan'io ny vary izay tsy takatry ny ankamaroan'ny malagasy. Marina fa efa manafatra vary mivantana ny fanjakana, saingy tokony hisy ny fijerena ifotony izay ho takatry ny isam-baravarana. Ny menaka ihany koa, dia orinasa iray no mitana ny familiana, ary dia miakatra andro aman'alina ny vidiny. Marina fa miaina ao anatin'ny fanalalahana isika, saingy misy ny manjakazaka eo amin'ny famerana ny vidin-javatra toy ity solika ity, ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. Raha tanteraka ny fikasan'ny fanjakana amin'ity resaka solika ity, dia eto Madagasikara no ahitana izany lanja midina izany voalohany eo amin'ny vidin'entana ilain'ny mponina andavan'andro.




Raharaha 1947
Tsy manaiky lembenana ny zoky olona
Tsy maintsy aseho ny marina momba ny tolona 1947. Io no niadian-kevitra tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely omaly maraina. Ny fikambanan'ny mpanao gazety zoky olona sy ireo taranaky ny MDRM no nitarika ny fotoana. Mahakasika ny fitsarana ny volana Oktobra 1948 ho an'ireo nigadra sy namoy ny ainy, momba ny vono moka 29 mars dia isan'ny lahadinika tao. Maro ireo nijoro vavolombelona momba iny raharaha iny, ary ny hametrahana ireny tantara ireny ho voarakitra anaty boky ny tanjon'ny maro. Mbola lavitra anefa ny ezaka ho amin'ity fikasana hamoaka boky ity, fa ny maika dia ny hametrahana ny datin'ny 29 mars ho androm-pisaonana, fa tsy hanaovana lanonana maro samy hafa. Nitarika ny fotoana teny antoerana, ingahy Rakotondrasoava George sy ingahy Rajaonah.




Ramino Jean sy ny fiainam-pirenena
Miha-mahantra i Madagasikara
Mila mailo ny filoha Ravalomanana, fa misy olona mpanoro vohona ao akaikiny ao. Isan'ny teny nambaran'ingahy Ramino Jean io. Ny antony, dia miezaka manao izay ho afany hanalana ny vahoaka ao anaty fahantrana ny filoham-pirenena. Misy amin'ireo manodidina azy anefa no tsy mahatsapa izany. Misy ny manolontsaina vilana, ary misy kosa anefa ny tena vonona amin'ny fiaraha-miasa aminy.
Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin'ny tanana. Mariky ny fahantrana ireny. Rehefa hita fa tsy misy intsony ireny olona miady amin'ny fako ireny, izay vao azo hambara fa miposaka ny masoandrom-piainan'ny Malagasy. Mbola lavitra ny ezaka ho fametrahana an'i Madagasikara ho amin'ny toerana sahaza azy, nefa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra izany.




Andro iray hitondra inona ?
Rahampitso no hiatrika ny fifidanana izay ho filoham-pireneny ry zareo Amerikana. Fifidianana izay heverina fa hitondra rivotra mety ho tsara sy ratsy eo amin'izao tontolo izao.
Noho izay rivotra hafahafa izay, dia hifantohan'ny mpanara-maso maneran-tany ity fifidianana ity. Miankina amin'io ny ho avin'ny toe-karena maneran-tany, ary isan'io isika eto Madagasikara. Miankina amin'ny firenena matanjaka tokoa ny toe-karen'ny firenena andalam-pandrosoana toan'i Madagasikara.
Ny firenena toa an'i Etazonia no mibaiko ny rafitra maro eran-tany. Raha ireny ny no mievona, dia voan'ny sery izao tontolo izao. Andro iray hitondra inona eo amin'ny politikan'ny fampandrosoana ary ity fifidianana atao rahampitso ity ? Marina fa manana ny politika afahana mamaritra rafim-pampandrosoana eto ny mpitondra Malagasy, saingy tsy afa-miala amin'ny fepetra ampetraky ny vahiny isika. Dia ho hita eo ny vokatry ity fifidianana atao any amin'ity tany tandrefana ity. Mba rahoviana re no mba hitondra ankony tsara eo amin'izao tontolo izao ny fifidianana atao eto madagasikara e ?




Fanavaozana ny rafi-pampianarana
Hamakafaka ny Fiangonana katolika
Fanambarana miezinezina ny navoakan'ny Diosezin'Antananarivo taorian'ny sinoda lehibe notanterahiny teto Antananarivo ny 29 oktobra ka hatramin'ny 2 novambra. "Manoloana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana aroson'ny Fanjakana dia tsy maintsy manadihady ny Fiangonana ka hijery akaiky ireto lafin-javatra ireto. Na manaja ny soa toavina maha-mpino kristiana sy izay takian'ny maha-olona ny fanavaozana atao, na sodokan'ny tanjona tsara endrika, na voagejan'ny mpamatsy vola ka voatery manaraka fotsiny izay fepetra apetrany".
Arak'izao fanambarany izao, misy ny ahiahy tsy ihavanana mipetraka manoloana ity rafi-pampianarana vaovao ity. Handray ny andraikiny ny Fiangonana ka hiditra lalina hahafantatra ny tena marina. Misy ny tetik'ady napetrany ahatongavana amin'izany. "Takiana ny famakafakana ifotony sy ny fikaonan-doha ara-drariny mba ho resy lahatra ny rehetra fa tena mitombina ny tanjona hotratrarina" hoy ny fehin-kevitra nivoaka teo anivon'ny sinoda.
Naneho ny fahavononany hiara-hiasa ny Fanjakana
Tsy niandry ela ny valin-teny avy amin'ny Fitondram-panjakana. Toy izao ny ampahan'ny lahateny nataon'ny Praimnisitra nandritry ny Sorona masina ho famaranana ny Sinoda natao tetsy Mahamasina omaly. "Efa miroso amin'ny sekoly vaovao dia ny sekoly vaovao ho an'ny ampitso isika. Efa nisy nisy ny fiaraha-miasa, ary mbola hisy ny fiaraha-miasa ho an'ny tombotsoan'ny Malagasy. Ny Fanjakana mijoro ankehitriny dia Fanjakana vonona




Sinoda katolika
Zava-dehibe ny fanavaozana ny làlam-pifidianana
Naneho ny heviny mahakasika ny raharaha politika eto anivon'ny firenena ny sinoda katolika eto amin'ny diosezin'Antananarivo. "Ho fandraisan'anjara misimisy kokoa amin'ny fampivoarana ny fiainan'ny olona, dia heverin'ny Fiangonana fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny olona ny Lalàmpanorenana sy ny fanavaozana ny làlam-pifidianana". Isan'ireo fehin-kevitra nivoaka teo anivon'ny sinoda izany izay nambara ampahibemaso omaly nandritry ny fotoam-pamaranana. Navoitra tao anatin'izany fehin-kevitra izany fa "ilaina ny manome sehatra fifampizarana mba ahazoana mifanoro, mifanitsy hanomezan'aina ny hasin'ny tsirairay sy ny hasin'ny fitiavan-tanindrazana ka mba ahazoana fitoniana ara-politika ahafahan'ny olona mamokatra milamina".
Tsy ny Fiangonana katolika irery ihany anefa no maniry ny hisian'izany fanavaozana izany fa misy ihany koa ireo antoko politika sy mpanao politika mitaky izany efa hatry ny ela. Efa nisy aza tamin'ny fotoan'andro volavolan-kevitra momba ny fanavaozana làlam-pifidianana natolony ho an'ny vondrona parlementera iray teny Tsimbazaza mba ho dinihina, saingy nandamoka. Ny fitondram-panjakana sisa no andrasana izay mety ho fanapahan-keviny manoloana ny feo miakatra etsy sy eroa.




Médecin après la mort...
" Mahatserika ity raha volànin'ny mpitondra ity ", hoy ity rangahy iray raha naka lasantsy fa toa nidina kely ny vidiny. Raikitra teo moa ny resaka sy ady hevitra. Ary ny niafarany dia hoe efa miasa mafy ny fanjakana fa handray an-tànana ny fanafarana solika, dia izy indray no hitsinjara azy any amin'ireo kaompania.
Raha ny marina dia tsy vaovao ilay hevitra sy tetika. Vao haingana i Alphonse Randrianambinina no nampahatsiahy anay fa isan'ny ambety tenin'i Herizo Razafimahaleo ny tokony handraisan'ny fanjakana fepetra maromaro, indrindra mikasika ny vary, ny solika sy ny JIRAMA. Efa tany amin'ny volana janoary 2008 tokoa i Herizo Razafimahaleo, raha vao nanomboka niakatra ny vidin'ny solika teo amin'ny tsena iraisam-pirenena, no namosaka io hevitra io hoe tokony raisin'ny fanjakana an-tànana ny fanafarana solika, ary fanao izany. I Maurice moa no nataony ohatra tamin'izay. Miaraka amin'izay dia tokony hahenany ny " taxes " isan-karazany satria be loatra ( eo amin'ny 40%- ny vidin'ny eny amin'ny mpivarotra solika ) no mandreraka ny mpanjifa rehetra sy mampiakatra ny vidin'entana rehetra.
Raha nanontaniana moa i Alphonse Randrianambinina omaly dia hoy izy hoe : " marina ny voalazanao fa ny mahagaga ahy dia nahoana no amin'izao fotoana efa midina izao ny vidin'ny solika vao mandray ireo fepetra ireo ny fanjakana ? Tsy " médecin après la mort " ve izany ? Satria ve i Herizo dia lehiben'ny mpanohitra dia tsy noraisina ny heviny tamin'izany fotoana izany sa mba hilazana amin'ny mpandoa hetra hoe mijery ny tombontsoan'ny mpanjifa sy ny mpandoa hetra rehetra ny fanjakana dia izao vao raisina ny hevitra tsara heno tetsy sy teroa sy tamin'i Herizo ? "
" Ny lasantsy sy ny solika eo ihany fa ity JIRAMA ity sy ny vary no mitatao eo ambonin'ny loha ihany koa ", hoy i Alphonse Randrianambinina. Asa moa raha mbola mitohy ilay vary mora eny amin'ny fokontany eto an-drenivohitra fa raha any amin'ny fokontany sasany manodidina an'Antananarivo aloha dia tsy misy izany vary izany. Sa ny eto an-drenivohitra ihany no tena tandrovina mafy ? Fa ho an'i Alphonse Randrianambinina dia mazava fa ny " mi-gouverner c'est prévoir ; noho izany ity resaka saran'ny JIRAMA ity dia tsy maintsy asiana vaha-olana. Isan'ny vaha-olana natolotr'i Herizo tamin'ny fotoan'androny ny fifampiraharahana amin'ny fanjakana Sinoa momba ilay " ampoule économique " sy ny fanapariahana izany, ohatra. Ankoatra izay ny fananganana orinasa maro manodina ny rano ho herin'aratra sy fampiasana ny herin'ny masoandro sy ny enerjia nokleary.
Ny mahatserika tokoa dia sao dia fihetsiketsehana fotsiny ary izy ity e ? Sao dia fampandriana adrisa fotsiny e ?




Concept de défense
Un secret d'Etat selon le nouveau SG de la Défense
« Le concept de défense existe vraiment » ; c'est ainsi que le nouveau Secrétaire Général dudit ministère, le général de brigade Randriamisa Ramihone Amédée a répondu aux journalistes, venus l'interviewer hier à Ampahibe, après la passation de service entre le nouveau et le SG sortant du ministère de la défense. Interview
Madagascar Tribune : Quelle est votre priorité au sein du ministère de la Défense nationale ?
Randriamisa Ramihone Amédée (R.R.A.) : « La priorité est maintenant la réforme de l'armée. Dans cette réforme, il y a des réformes institutionnelles, des réformes fonctionnelles, et des réformes comportementales. Les détails de cette réforme vous seront dévoilés en temps voulu. »
M.T : Est ce que le concept de défense tant véhiculé par le gouvernement a vraiment une existence réelle ?
R.R.A : « Oui, le concept de défense existe vraiment, c'est une réalité. Nous ne sommes plus dans la période d'essai ou de tâtonnement, parce que les choses sérieuses vont commencer. Mais nous ne pouvons pas le communiquer à tout le monde dans les détails. »
M.T : Quelles sont alors vos premières actions au sein du ministère ?
R.R.A : « Comme je vous le dis, c'est stratégique. »
recueillis par Manjakahery Tsiresena




Anatry ny hafa
Tratra ireo nahavanon-doza tetsy Mahamasina namono ilay dokotera mivady sy ny mpanampy azy. Vono olona feno habibiana no nitranga, ary ny zanany vavy izay taizany fony faha-kely no nahavita ny heloka niaraka tamin'ny sakaizany. Niaky ny heloka vitany izy roa ireto, ary tamin'ny fomba mahatsiravina no nanaovana ny vono olona. Maty niaraka tamin'izy mivady ireto koa ilay ramatoa be mpanampy azy, satria nahiana ahita ny tsiambaratelo.
Tany Mananjary no tratra izy roa, ary ny Polisy misahana ny heloka be vava efa nitondra ny fanazavana tamin'ny mpanao gazety omaly. Be loatra ny vono olona sy ny faharatsiana mitranga eto. Zary mahazo vahana tsy fidiny izy ireny. Eny fa na hatramin'ny ray niteraka aza, dia sahy manolana ny zaza naterany, ary dia hiterahany mihitsy. Efa eo ampelan-tanan'ny fitsarana ny raharaha, izay antenaina fa ho henjana ny sazy miandry azy ireny, mba ho hanatry ny hafa. Io sazy henjana io no vaha-olana haingana indrindra, satria izay mbola mitetika ny hanao ratsy dia hangirifiry avy hatrany vao mahita ny zionga mety hiandry azy. Izay no hilana fanabeazana matotra eto, izay mihagoragora ankehitriny. Iza anefa no hanao izany ? Isika tsirairay dia manana andraikitra lehibe amin'izany.




Otrikafo" tsy tia vahiny
Halanay ny mpangeja, hoy Rajaonah
"Tsy ny "Otrikafo" no tsy tia vahiny, fa ny fomba fangejany eto no tsy ekenay Otrikafo. Io no nambaran'ingahy Ranjaonah Mpitarika ity fikambanana ity. Maro ny tetika politika ampetraky ny vahiny eto. Tsy azo ekena ireny raha hambotry ny harentsika eto. Toherinay hatramin'ny farany io. Ho avy ny vahiny maro manomboka ny taona ho avy iny. Hitondra inona ho antsika izany. Amin'ny Otrikafo, dia tsy fotoana handraisantsika ny fivorian'ny vondrona Afrikana sy ny Frankaofonia izao. Efa zato taona amhery no niarahana tamin'ity frankaofaonia ity, nefa inona no so azeo tamin'izany. Manambara ny Otrikafo, fa misy ny mpitondra fanjakana izay maika amin'ny fandraisana ity fivoriana ity no ahita tombony betsaka amin'izany.




Ralison Roger sy ny PRM
Misy manolo-bato mafana i Ravalomanana
Aoka ny tena marina no hambara amin'ny filoham-pirenena, fa tsy hotoroana vohana izy. Fanazavana nentin'ingahy Ralison Roger tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo. Tsapa fa betsaka ny resaka azo hifandinihana nefa toa tsy ahitana izany firy ireo olona manodidina azy.
Fotoana ilana ny fikaonan-doha izao, satria sao dia tara loatra. Ampetraho hanana ny toerany ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy ho voatery ny vahiny hatrany no hanana ny anjara-toerana amin'izany eto amintsika. Omeo vahana ny mpandraharaha Malagasy. Aoka hitoetra ilay politikan'ny filoha Tsiranana tany aloha momba ny politikan'ny kibo. Tsy hita intsony eto Madagasikara, nefa ny resaka sosialy sy ny fandriam-pahalemana ary ny fahasalamana no tokony hibahan-toerana eto. Io no lalana iray afahana manala ny vahoaka amin'izao fahantrana izao. Momba ilay fivorian'ny vondrona Afrikana amin'ny herintaona sy ny Frakaofaonia ny taona 2010 kosa, dia lalana iray afahan'izao tontolo izao mahalala an'i Madagasikara io hoy Ralison Roger. Midika izany fa tokony hiomana dien'izao ny fandraisana azy ireo. Ny manitikitika ny maro fotsiny, dia ny hoe ohatrinona ny volam-panjakana ho lany amin'io. Sao dia afahana manala ny vahoaka amin'ny ngidin'ny fahantrana izany vola izany ? Handroso soson-kevitra hatrany ny PRM hoy ity filohany ity, ary tsy hanitsy raha mahita lesoka. Mpanohitra izy ireo, saingy tsy miray lalana amin'ireto mpanohitra eto amintsika, satria ny fomba fanoherana no samy manana ny azy.




Raharaha tany Ihorombe sy Farafangana
Hivoaka rahampitso ny didim-pitsarana
Olona iray no nifidy in-droa. Io no votoatin'ny fitorian'ny kandida mpifanandrina amin'ny ben'ny tanana ankehitriny tany amin'ny kaominin'Ihorombe, distrikan'i Farafangana. Rahampitso alakamisy no ahafantarana ny marina momba ity raharaha ity. Teo amin'ny elanelam-bato 92 no nanasaraka ny vaton'ny ben'ny tanana ankehitriny Rasoa Florence Dorothee, sy ity kandida mpifanadrina aminy ity. Tsy nahita lesoka afa-tsy io olona nifidy in-droa io, izay tsy fantatra ny antony nahatonga izany ny maro, nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanana farany teo. Manana ahiahy ihany anefa ny maro, amin'ity fitsarana hiseho rahampitso ity, satria efa namoaka vava sahady ingahy kandida araky ny vaovao voaray, fa tsy maintsy handresy amin'io rahampitso io. Manahy noho izany ny maro momba ity raharaha ity, satria na ilay ben'ny tanana amperin'asa aza dia tsilian-tsofina no nandrenesany io fitsarana rahampitso io. Ho hita eo ny tena marina momba ny tranga niseho any Ihorombe Farafangana ity.
Penjy R




Rano fisotro madio ao Ilakaka
Ar 51 tapitrisa no nanamboarana lava-drano 12
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny mpandraharaha "thailandais" izay mipetraka ao Ilakaka sy ny kaominina Ranohira dia lava-drano miisa 12 no namboarina tao amin'ny fokontany Andohan'Ilakaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina eo amin'ny rano fisotro madio.
Hatramin'izay mantsy dia rano amin'ny vovo no nampiasain'ny ankamaroan'ny olona ka tsy nahagaga raha betsaka ny aretin-kibo tany an-toerana. Ireo izay tsy manana vovo dia mividy rano Ar 100 ny iray siny. Efa vita soa aman-tsara moa amin'izao fotoana izao ireo fotodrafitr'asa namboarin'ny "thailandais" ireo saingy mbola tsy miasa. Araka ny nambaran'ny lefitry ny ben'ny tanànan'i Ranohira, Radany Manahira Pascal dia mitentim-bidy 51 tapitrisa Ariary ireo lava-drano manara-penitra vaovao izay napetraka isaky ny faritry ny toeram-pitrandrahana vato miisa 12.
Mbola tsy ampy moa ireo fotodrafitr'asa ireo raha ny filàn'ny mponina any amin'ity tanin'ny safira ity no resahina. Any amin'ireo toeram-pitrandrahana sasany mantsy dia rano maloto izay sady hanivanana tany hitadiavana safira no ampiasan'ireo olona amin'ny fikarakarana sakafo sy sotroina.




Nivadika ny pejy
Nandresy ingahy Barack Obama avy amin'ny demokraty. Lavony tamin'ny isam-bato 338 i Mc Cain avy amin'ny repoblikana izay vato 155 monja no azo tamin'ireo mpifidy vaventy. Sambany hoy ny maro, vao mba nisy filoha mainty tany Etazonia, ary antenaina ny hitondra rivo-baovao eo amin'ny lafim-pianan'ny vahoaka Amerikana maro izay nahatafakatra azy ho filoham-pirenena izao. "Hanangana an'i Amerika ho amin'ny toerana sahaza azy aho", hoy ingahy Obama omaly tao Chicago raha nikabary voalohany, ary ho iray isika vahoaka Amerikana manontolo.
Tsy nisy rahoraho teo amin'ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina, fa dia nifampiarahaba sy nifampirary soa ny kandida roa lahy. Fahitana eran-tany izany ho an'ny firenena mandroso, fa fifaminganana kosa ho an'ny tany andàlam-pandrosoana toan'i Madagasikara. Io hiarahana mahita io hatramin'izao, ny zava-misy eto Madagasikara. Na dia efa manaiky ny mpitondra eto aza izao tontolo izao, dia misy mbola milaza fa tsy filoham-pirenena io. Tsy mipetraka intsony ny mety ho endrim-piaraha-miasa, fa ny fanonganana hatrany no mitoetra amin'ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika, raha maro ny firenena niray làlana tamin'i Madagasikara, efa manana ny anjara toerany eo amin'ny lafiny toe-karena. Isika kosa mba aiza raha mihoatra amin'io ? Nivadika ny pejy ho an'ny Amerikana. Hitondra inona ho antsika izany ? Sao dia mba fakan-tahaka ny firariantsoa teo amin'ireo kandida nifaninana tany Etazonia ? Sa ny mety any amin'ny firenena matanjaka, tsy mety aty Madagasikara ?




Loa-bary andasin'ny MAP
Be ireo olom-boatendry ho very seza
Alohan'ny faran'ny taona 2008, dia hanao jery tombana ny asa vita nandritra ny taona ny fanjakana. Ho hita taratra ao na tena tafatsangana ny rindrina, ary voatafo ny trano na tsia. Loa-bary andasin'ny MAP izy ity, ka ireo asa mbola tsy vita, dia ho fantarina ao ny antony tsy naha-tontosa izany. Fepetra iray isan'ny hipetrahan'ny ezaka eo amin'ny oom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izao. Ho hitan'ny vahoaka eo mantsy izay tsy nahay ny asany. Tsy fotoan'ny andrakandrana intsony izao, fa asa avy hatrany. Ho hita eo ny momba izany, fa ny tsy azo lavina, dia mandindona amin'io ny mety hisian'ny fanovana olom-boatendry tsy nahavita ny asany. Isan'io ny ao anaty Governemanta sy ny eny anivon'ny faritra rehetra eny. Tsy azo sarotsaronana amin'ny tarehi-marika ambony latabatra ny tsy fahombiazana. Ny asa azo tsapain-tanana mipaka eny anivon'ny vahoaka no porofo iray tsy azo hiadian-kevitra.
Tsy re tsaika
Raha ny zava-misy tokoa, dia maro ireo olona nampetraka hitana andraikitra goavana no tsy re- tsaika. Na ny fisiany aza tsy fanta-bahoaka akory, nefa dia lehiben'ny faritra na ministra. Toa tsy mba hita midina ifotony eny anivon'ny vahoaka, mba mijery ny olona eny. Midika io, fa olona natao hiandry tatitra fotsiny. Tsy ho gaga ny maro raha mihisatra ny asa eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Momba ity jery todika ny asa vita ity, dia nilaza ny Praiministra lehiben'ny Governemanta fa antsoina avokoa ny olom-pirenena rehetra. Hanana anjara toerana lehibe amin'io ny tanora. Voahantso amin'io koa ny tanora. Iza no hitsara fa tena nahavita be tokoa ireo olona nomena andraikitra isan-karazany ireo ?




Manandafy Rakotonirina
Feno 70 taona
70 taona niainana Atoa Manandafy Rakotonirina, filohan'ny MFM. Tany Sahamadio Fisakana Fandriana izy no teraka ny 31 oktobra 1938. Fito ny zafikeliny, ary mizioga "Grand Croix de 2ème classe de l'Ordre National" nanomboka tamin'ny jolay 2003 izy.
"Izahay sy ry Ratsiraka sy De Gaulle io", hoy Atoa Manandafy ho valin'ny fiarahabana ny "maingoka" natao azy. Tonga dia ny fanagasiana avy hatrany no narangarangany. Tsy endrika fanagasiana tamin'ny 1972 araka ny itiavan'ny sasany hitarihana intsony ny resaka amin'izao 2008 izao.
Demokrasia
Tsy tontosa araka ny ikendrena azy ny demokrasia raha tsy avoaka amin'ny teny gasy ny didim-pitsarana. Tsy lojika mihitsy ny didy avoaka amin'ny teny frantsay satria tsy azon'ny voakasiky ny raharaha akory. Vahiny eto amin'ny tanintsika isika satria voatery mitady mpandika teny. Tokony hihazakazahana ny momba io sehatra io fa manohitohina ny demokrasia izany.
"Plurilinguisme"
Noraisin'Atoa Manandafy ohatra ny firenena eoropeana 27 mitambatra lalam-bola "euro" sy làlam-barotra "marché commun". Farafaharatsiny dia tokony hahay tenim-pirenena 24 ny manampahaizana eoropeana raha te hifehy tsara ny làlam-barotra sy ny làlam-bola ao anatin'io sy ny fiainan'ny olona.
"Isika mampiasa ny teny frantsay sy teny anglisy amin'ny fiarahana amin'ny COI sy ny COMESA ary ny SADC. Tsy averina any amin'ny 1972 intsony ny resaka, tsy "bilinguisme" intsony fa "plurilinguisme" no tokony ho tratrarina raha te hifehy fandrosoana sy lalam-bola ary lalam-barotra eto amintsika isika. Izay tandrify antsika aloha, satria hatramin'ny teny arabo aza mila kirakiraina".
"Crise financière"
Ho valin'io fanontaniana io dia nilaza Atoa Manandafy fa voatery ny Fanjakana manao fanitsiana rehefa mikatso toa izao ny lalam-bola. Volam-panjakana sy fahefam-panjakana no miantoka ny banky rehefa teraka toa izao ny tsy fampitokisana amin'ny mpampindram-bola mamatsy ny banky. Tsy inona anefa ny volan'ny Fanjakana fa ny hetra, izany hoe ny herim-pon'ny vahoaka. Miverina miditra amin'ny fitantanana ny làlam-bola izany izao ny fahefam-panjakana. Efa izay no misy any Etazonia, Eoropa, Chine, Arabie Saoudite... Vola entina miasa io lazaina hoe volam-panjakana io.
Raha ny hevitr'i Atoa Manandafy dia tafiditra amin'ny fahasahiranana isika vokatry ny krizy, satria ny fifandanjan'ny karama sy ny vidim-piainana tsy mifanentana. Ny karama ambany loatra eto amintsika raha ampitahaina amin'ny vidim-piainana lafo. Misondrotra haingana mihitsy ny vidin-tsakafo, tsy mifanentana amin'ny karama raisin'ny olona. Izay no anisan'ny endrika hitrangan'io krizy io eto amintsika. Haingana izany, ny mazava indrindra dia ny vidim-bary, mofo, lafarinina, ny zavatra hafarantsika avy any ivelany ireny. Ady hevitra be hatrehina ato ho ato ny mikasika ny zon'ny mpiasa sy ny karama araka izany. Dia sahala amin'izany koa ny valin-kasasaran'ny mpamboly sy mpiompy. Hiteraka ady hevitra be mihitsy io satria tsy mifandanja amin'ny vidin'ny tsena iraisam-pirenena.
Vola vahiny
Ny tsy fahaizantsika mitrandraka ny harena voajanahary ao an-kibon'ny nosintsika sy anaty ranomasina ary ambonin'ny tanintsika no nanery antsika amin'ny fanalalahana. Tonga ny mpampiasa vola miaraka amin'ny olona mahay mitrandraka ny harena efa nisy hatramin'izay eto amintsika : harena ambanin'ny tany, ambonin'ny tany, zava-manan'aina, zava-maniry, trondro. Ilàna vola avy any ivelany "investissement direct étranger", izany hoe olona na kaompania mahay mitrandraka izany, satria any ivelany rahateo no làlam-barotra ahitana ny famelomana an'ireo. Kely loatra ny tsenantsika Malagasy ka tsy ahaveloman-javatra lehibe sy fihariana. Ohatra mazava tsara amin'izany ny QMM, tsy maharaka ny zavatra takiany ny fihariana misy eto amintsika amin'ny resaka sakafo sy trano fonenana fotsiny. Manampahaizana teran-tany
Mitaky ezaka be dia be amintsika izany. Mila mamokatra manampahaizana maro isika amin'ny sampana rehetra, ary hihazakazahana izany fa tsy mitaredretra. Mila mahalala tsara ny dingana tratrarina, sy ny ezaka atao fa tsy mijanona fotsiny amin'ny resaka ady amin'ny fahantrana. Miteraka fiovana eo amin'ny asam-piveloman'ny olona izay asa vao tonga izay. Efa manomboka mamboly legioma ny any anindrana, fa tsy mihonona fotsiny intsony amin'ny voatabia sy ovy avy aty afovoan-tany. Manomboka mandeha koa ny fizahantany.
Obama
Nitsotra Atoa Manandafy fa raha ny safidiny dia mazava fa mitempo ho an'ny Kandida Barack Obama ny fony. Izy no mambran'ny "International Liberal" amin'ny maha Demokraty azy, hoy izy. Ankoatra ny maha mainty hoditra azy dia manan-tsaina ilay olona, araka ny fitsaran'Atoa Manandafy, ka hitondra fiovana be amin'ny fiainan'izao tontolo izao sy ny firenena amerikana raha izy no lany. Anisan'ireo nahazo fanasan'ny Ambasady amerikana amin'ny fiaraha-misakafo amin'ny Alarobia maraina ny MFM.
Vovonana
Nahemotra amin'ny aprily 2009 ny Vovonana MFM saika hatao amin'ny desambra izao satria tsy ho eto an-toerana Atoa Manandafy, filoha nasionaly. Manamafy ny fananganana ny ALDR aloha no imasoan'ny antoko, araka ny filazany. Mifanindry indrindra amin'ny fivorian'ny "International Liberal" (IL) hatao any Bangkok ilay vovonana. Nilaza izy fa tena ilaina ny ezaka fanatevenana ny fifandraisana amin'ny any ivelany. Tsy azo ialana io fivoriana io satria izy mambran'ny Komity mpanatanteraky ny IL. Samy hitondra ny heviny ny lehiben'antoko rehetra mivondrona amin'ny IL. Zava-dehibe no ho dinihina araka izany satria ao anatin'izao krizy ara-bola iraisam-pirenena izao no hikaon-doha.
Nanangona Razaka Oliva




Elections américaines
Le Président de la République félicite le nouveau Président des Etats-Unis
En visite officielle en Indonésie, le Président de la République, Marc Ravalomanana, a adressé une lettre de félicitations au candidat Barack Obama à l'occasion de son élection au poste du Président des Etats-Unis d'Amérique. Voici la teneur de cette lettre de félicitations, signée par le Président de la République de Madagascar, Marc Ravalomanana, en date du 5 novembre 2008, rédigée en anglais.
Dear Mr President, On the occasion of Your election as the next President of the United States of America, on behalf of the People and the Government of Madagascar, I would like to convey my sincerest congratulations and my best wishes to You and the People of America. Your historic victory is important to all of us. Change has come to America, but change has to come to the world. We all face global major challenges. No country can face them alone. We need to strengthen our solidarity and work hard to overcome them together with understanding, determination, courage, and optimism. Madagascar will host the African Union Summit in 2009. We are confident that America and Africa will open a new chapter of cooperation to open new doors of opportunities for our peoples.




Fidirana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena
Misy ny tolotra fampihenana ny saran'ny fanondranana
Mbola maro ireo orinasa sy indostria madinika no manana olana eo amin'ny fanondranana ny vokatra vokariny mankany ivelany. Na eo amin'ny resaka fikarakarana ny taratasy rehetra ilaina izany, na ny fitehirizana ny entana mandra-pivoakany any amin'ny fadin-tseranana, indrindra fa amin'ny fitadiavana mpiara-miasa amin'ny fampiasana ny containers. Manana vokatra tsara sy ankafizin'ny any ivelany anefa i Madagasikara, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny asa -tanana malagasy. Na dia misedra ny krizy ara-bola aza ny firenena maro maneran-tany, dia azo atao tsara ny miatrika izany amin'ny alàlan'ny fanondranana entana.
Fanampian'ny orinasa « Rogers IDS »
Misy ny orinasa manohana manokana ireo te hanondrana na mpanondrana vokatra any ivelany. Manomboka amin'ny fanoroana ireo mpanondrana ny zavatra rehetra tokony hataony izany, hatramin'ny famoahana ny entana, sy fampidirana azy ireo eo amin'ny sehatry ny varotra. Hanao tolotra mandritra ny iray volana ny orinasa Rogers IDS, ho an'ireo mpanondrana entana ao Maorisy. Araka ny maha-tolotra azy, dia hihena hatramin'ny 25% ny sarany rehetra tokony haloa amin'ny fanondranana. Maimaim-poana ny fitehirizana ny entana sy ny haban-tseranana. Izy ireo ihany koa no mitady izay olona hiara-hameno ny containers. Etsy andaniny, ho maimaim-poana ihany koa ny fandalovan'ny entana ao amin'ny birao fanaraha-maso ny entana, na ny BSC (bureau de suivi de cargaison). Raha toa ka Ar 2 9000 any ho any ny saran'izany, dia tsy handoa io vola io ny mpanondrana vokatra mandritra io iray volana io. Hanomboka ny 1 novambra ho avy izao ny tolotra. Hiitatra amin'ny firenena maro izany atsy ho atsy. Marihana fa miisa 30 ny masoivohon'ity orinasa ity maneran-tany. Izao no atao, dia maba ho famporisihana sy fanohanana ny mpanondrana Malagasy, hiditra amin'ny sehatra iraisam-pirenena.




Teny zato kabary arivo
Tsy manaiky ireo solombavambahoaka
Niantso ny filohan'ny antenierampirenena, Jacques Sylla hanatrika ny fivoriana manokana handinihina ny raharaha anatiny ireo solombavambahoaka Tim omaly hariva. Androany maraina kosa ny fivoriambe ho an'ny depiote rehetra mbola raharaha anatiny ihany.
Betsaka ny raharaha anatiny halamina amin'izany. Mialoha ny handinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2009 adroany hariva no tsy maintsy hahavitàn'izany. Tsy mitovy hevitra amin'ny filohany Jacques Sylla ireto solombavambahoaka ireto, eny fa na ireo depiote Tim mitovy aminy aza, indrindra ireo mpikambana amin'ny birao maharitra aza. Raha ny vaovao fantatra, asain'ny filohany mametra-pialàna ny filoha lefitra faharoa, Tsitohery Avison noho ny antonym ara- pahasalamana.
Tsy nanaiky ny hanesorana ireo mpiasa 180 sy 117 mbola ho avy kosa ohatra ny filoha lefitra voalohany, Rakotomalala François Emile sy ny kestora, Raharinaivo Randrianantoandro. Nisesy izay ny fivorian'ny depiote Tim ao amin'ny Magro, mialoha ny fivoriana androany zoma eny Tsimbazaza izay tsy natrehan'ny filohany. Misy tsy milamina ao no dikan'izany.
Betsaka ny hetaheta, raha 18 miliara ariary ny tetibolan'ny Antenierampirenena ny taona 2008 izao dia niakatra ho 35 miliara izany rehefa nasiam-panitsiana sy ny taona 2009 izao. Tsy nisy niova anefa ny tambikarama sy ny zo tokony ho an'ireo depiote. Tsy misy tokony hanesorana ireo mpiasa satria nitombo ny teti-bola. Ny depioten'Antsohihy, Jao Jean no nangataka ny tokony hanaovana ny fivoriana handaminana izany rahaaha anatiny izany tany aloha saingy tsy nakasitrahan'ny filohany.
Etsy andanin'izany, Miatrika fiofanana momba ny asa ataony amin'ny fandaniana volavolan-dalàna ireo solombavam-bahoaka nandritra ity herinandro ity. Ny fandahaanasan'ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na ny Pnud no tompon'ny fikarakarana tamin'izany.
Vita izany dia ny fiofanana momba ny fandinihana manokana ny teti-bolam-panjakana no natao ka ny EASI na ny sampana Afrikana momba ny demokrasia no tompon'ny fanofanana. Tsy ny solombavambahoaka rehetra 80 mianadahy akory no mahazo izany fanofanana izany fa ny ampahaefatra ihany angaha. Natokana ho an'ireo vehivavy paremantera ny fiofanana voalohany ary izay mpikambana amin'ny vaomieran'ny vola sy nybtoekarena ihany kosa ny momba ny faharoa. Tokony ho an'ny rehetra ny fiofanana satria mitovy ny asa mitovy koa ny hodinihana.




Nivadika ny pejy
Nandresy ingahy Barack Obama avy amin'ny demokraty
Lavony tamin'ny isam-bato 338 i Mc Cain avy amin'ny repoblikana izay vato 155 monja no azo tamin'ireo mpifidy vaventy. Sambany hoy ny maro, vao mba nisy filoha mainty tany Etazonia, ary antenaina ny hitondra rivo-baovao eo amin'ny lafim-pianan'ny vahoaka Amerikana maro izay nahatafakatra azy ho filoham-pirenena izao. "Hanangana an'i Amerika ho amin'ny toerana sahaza azy aho", hoy ingahy Obama omaly tao Chicago raha nikabary voalohany, ary ho iray isika vahoaka Amerikana manontolo.
Tsy nisy rahoraho teo amin'ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina, fa dia nifampiarahaba sy nifampirary soa ny kandida roa lahy. Fahitana eran-tany izany ho an'ny firenena mandroso, fa fifaminganana kosa ho an'ny tany andàlam-pandrosoana toan'i Madagasikara. Io hiarahana mahita io hatramin'izao, ny zava-misy eto Madagasikara. Na dia efa manaiky ny mpitondra eto aza izao tontolo izao, dia misy mbola milaza fa tsy filoham-pirenena io. Tsy mipetraka intsony ny mety ho endrim-piaraha-miasa, fa ny fanonganana hatrany no mitoetra amin'ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika, raha maro ny firenena niray làlana tamin'i Madagasikara, efa manana ny anjara toerany eo amin'ny lafiny toe-karena. Isika kosa mba aiza raha mihoatra amin'io ? Nivadika ny pejy ho an'ny Amerikana. Hitondra inona ho antsika izany ? Sao dia mba fakan-tahaka ny firariantsoa teo amin'ireo kandida nifaninana tany Etazonia ? Sa ny mety any amin'ny firenena matanjaka, tsy mety aty Madagasikara ?




Lany tao Irak ny vola ?
Antony nahatonga ny krizy ara-bola eran-tany ny fandaniana momba ny fanaovan-trano tany amin'ireo firenena matanjaka, ka tsy voaverina amin'ny laoniny avy eo. Io no fanazavana entin'ny mpahay toe-karena any ivelany hilazana ny fahavoazana mianjady amin'ireo banky any ivelany. Voa mafy I Etazonia, ka niitatra any amin'ny firenen-kafa.
Ny tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa, dia isan'ny naha-banky ropitra ny firenena matanjaka ny ady atao ao Irak sy ny filazana ho fampandrian-tany any Afghanistan. Vola miliara dolara isan'andro no atobaka any an'ady. Tsy vitsy ireo filazam-baovao any ivelany no milaza fa lany tao Irak ny vola ? Raha atao tokoa ny kajikajy isan-karazany nandritra izay taona maro nanombohan'ny ady tatsy Irak izay, dia azo vinaniana, fa hopitaly sy trano fianarana isaky ny fokotany taty Afrika manontolo no vita. Maro ireo krizy ara-tsakafo voafafa, ary mety ho efa namirampiratra ny firenena madinika raha nentina namonjena ireo firenena tra-pahavoazana izany vola be izany. Ny zava-misy anefa ankehitriny, dia faty olona rotiky ny bala sy baomba no hita. Ra maro no latsaka, ary tsy nisy tafaverina nijoro ireo fananana potika. Aman'arivony ny miaramila Amerikana maty, ary ny avy amin'ny notafihana tsy lazaina intsony. Isan'ny tanjon'ingahy Obama amin'izy mitondra izao ny hampody ireo miaramila Amerikana hody any aminy mandritra ny 16 volana. Ho vitany ve anefa izany ? Raha milamina ny ady, dia izay vao ho azo antoka fa ho voavaha ity krizy lehibe any ivelany ity. Sahia manao dingana lehibe e.




Jeneraly Razakarimanana
Omeo fanabeazana ny vahoaka
"Aleo ho an'ny mpanao politika ny politika, ary ny mpandraharaha tokony hipetraka any amin'ny anjara asany. Raha io no tanteraka, dia vetivety dia ho tafavoaka ity firenena ity". Fanambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand io manoloana ny fifidianana niseho tany Etazonia farany teo.
Ny demokraty sy ny repoblikana, dia nahay nijery ny tombontsoa iraisana ho an'ny fireneny. Nametraka ny adilahy politika, izay tsy fahita any. Tsy toy izay kosa anefa ny eto, satria tsy voapetraka amin'ny anjara asany ny tsirairay. Ny olona tsy mahay politika no lasa manimba izany. Ny politika anefa, dia fanabeazana. Very tanteraka io ankehitriny, ary misy mihitsy olona sahy mandevina ny resaka politika eto Madagasikara. Hanaiky izany ve anefa ireo antoko politika maro mijoro eto ?




FJKM
Hivoaka ny litorzia nohavaozina
Zava-baovao no hatrehin'ny FJKM amin'ny taona ho avy. « Aorian'ny Paska 2009 no hivoahan'ny litorzia nohavaozina ». Fanambarana nataon'ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny FJKM izany nandritry ny fotoam-pivavahana lehibe notanterahina omaly tetsy Mahamasina. Litorzia ef nisy teo aloha ihany moa izy ity fa nasiana fanavaozana. Tsy voalaza moa ireo andininy nasiam-panovàna. Hatramnin'ny Paska 2009 dia ny litorzia efa nampiasaina hatramin'izay no mbola hampiasaina.
Fantatra ihany koa fa ny 18 janoary 2009 no fotoana hatokan'ny FJKM hiarahana ho fangataham-pitahiana ho an'ny filohan'ny FJKM mivady.




Tsy nisy mitsipaka
Io indray ilay manara-drenirano ataon'ny depiote tsy miankina etsy Tsimbazaza hoy ny mpitazana. Na iray aza tsy nisy sahy nilaza ny heviny na nitsipaka nandritra ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana ny herinandro teo. Izany hoe resy lahatra hatramin'ny fara,ny momba ity resaka ity izany izy ireo, ka mora sy nisosa ery ny fizotry ny fivoriana tao an-dapa.
Tsy hidirana laliny ny toe-bola ho entin'ny ministera isan'isany miasa na ireo andrim-panjakana, fa ny tsapa dia tsy mba hita firy intsony ireny ady hevitra nafana toy ny taloha ireny. Marina fa efa tsy misy mpanohitra intsony ao amin'ny antenimieram-pirenena, nefa tokony hisy ihany famakafana ho heno momba ireo asa miantraika mivantana any amin'ny vahoaka nefa kely vola. Isan'io ny momba ny fandriam-pahalemana sy ny fahasalamana. Ny vola natokana ho an'ny fampianarana, sy ny hiatrehana ny lafiny ara-tsosialy. Kely ihany ireo raha mitaha amin'ny zavatra hafa. Niakatra be ihany kosa ny vola ampiasaina eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika.
Raha bangoina ny tena zava-misy marina eny Tsimbazaza, dia maro ireo depiote matahotra ny ho tratrin'ny ankivy raha mitsipaka ny hevitra amposaky ny mpanatanteraka. Dia ireny lany tsy nisy nitsipaka ireny ny volavolan-dalana izay naroso. Sa izay kosa no mahatsara zavatra ? Nefa tokony ho fantatry ny maro ihany fa tsy heloka ny miady hevitra, saingy rehefa ao ny tahotra akory atao ?




Fiarovana ny omby gasy
Ampidiro amin'ny rafim-panabeazana
Telo andro no naharetan'ny fampirantiana momba ny tantaran'ny omby gasy tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Telo andro nampahafantarana ny olona nitsidika tao ny maha-harena ity omby gasy ity.
Fikarohana manokana momba ny omby gasy no nataon'ny profesora Tsiavaliky Celestin manerana ny nosy. Isan'io ny momba ny volon'omby sy ny fomba fiteny isam-paritra entina hanononana ireny volon'omby ireny. Voalaza fa dimy fotsiny ireo renin'ny volon'omby gasy eto amintsika izay nahazoana karazana volon'omby miisa 81 samihafa. Fotsy, mena, mainty, mavo, ary manga.
Tsetsatsetra tsy aritra no hilazan'ireo mpanisa omby, na mpanaramaso ny bokin'omby sy ny tompon'omby milaza fa mainty io fa tsy tsy manga, na hoe manga io fa tsy maintso. Isan'ny fanazavana hita tetsy amin'ny tahala rarihasina io ny faran'ny herinandro teo. Mangataka ny hampidirana ny tantaran'ny omby gasy ho ao amin'ny rafim-pampianarana eto Madagasikara ity mpikaroka ity. Ho avy ihany koa ny fandraisana ireo vahiny maro be ny taona ho avy izao. Maniry ny hisian'ny fampiratiana momba ny omby gasy ho fantatry ny vahiny, fa tsy sanatria ny omby vahiny no omena vahana eto. Ny taona ho avy iny ny hanohy ny andiany manaraka momba ny Olympiade 2009 ireto mpikaroka ireto. Momba ny omby gasy hatrany ity hetsika ity, satria sady harena no kolontsaina ity biby ity.




Kaominina andrenivohitra
Manomboka anio ny sazy
Tsy andeferana intsony ireo miniha mandika ny fepetra napetraka. Io no nambaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny polisy kaominaly eto amin'ny tanana, satria ampy izay ny filazana ny tokony hanajana ny lalana isan-karazany. Momba ny fipetrahan'ireo mpivarotra fiara etsy Analakely sy ireo mpanamboatra finday io.
Hanao be midina eny amin'io faritra Analakely io ny mpiasan'ny kaominina anio maraina. Ho raofina avy hatrany ireo fiara mbola mijanona eny amin'ireo fariotra natokana hanaovana parking. Ireo mpivarotra sy mpanamboatra finday tsy ara-dalana ihany koa dia ho tratrin'ny toy izany. Ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso ireo miniha manary fako etsy sy eroa. Miteraka loto ho an'ny tanana ireny, ka izay tratra miniha manao izany, dia hiaran'ny sazy. Anjaran'ny rehetra ny mandinika, fa raha mbola goragora hatrany no hifampifehezana eto, dia mbola ho ela vao hadio ny tanana. Penjy R




« Zamerika »
Mbola i Barack Obama foana ny resaka. Izay vao tena hiova tokoa ve ny fitondrana amerikana hoy ny maro ? Efa ela mantsy i Etazonia no tsy « nampirevy » intsony. Efa ela izany hoe « Zamerika » izany ; izany « Appolo » sy izany olombelona voalohany nanitsaka ny volana izany. Fahiny tokoa izany. Fa ankehitriny toa tahotra no ao an-tsaina raha vao mieritreritra izany Etazonia izany. Tao aorian'ny « Ku Klux Klan »dia ny « terrorisme » izao no mampatahotra. Ny fomba dia mitovy ihany : mamono olona amin'ny fomba isan-karazany. Maty noho ny tolona notarihiny mba hisian'ny fitovian'ny samy amerikana i Martin Luher King. Sahin'ny Amerikana mihitsy ny namono filoham-pirenena mba hifehezana tanteraka ny pôlitikany tsy hiova. Maty ny filoha John Kennedy sy ny rahalahiny. Ny tena fototry ny vono olona moa dia tsy mety mazava hatramin'izao ; eny na ny ati-doha nikotrika aza. Ahiahy no misy ankehitriny. Niova tokoa ve ny Amerikana ? Taona maro tany aloha tany tokoa dia « nampirevy » ny miresaka izany « Zamerika » izany ; izany « dôlara » izany.
Azo inoana ve fa amin'izao Barack Obama filoham-pirenena amerikana izao dia hiova ny fijery hoe mpisetrasetra ny Amerikana ? hoe mpanafika an'izao tontolo izao ny miaramila amerikana ? hoe mpanakorontana an'iny Afovoany Atsinanana iny ny Amerikana ? Hiverina « hirevy » Amerikana amin'izay indray ve ny afrikana sy ny erôpeana. Izany « revy » izany mantsy tsy miankina amin'ny fanampiana sy ny tolotolotra avy amin'ny Banky isan-karazany na fikambanana etsy sy eroa fa miankina amin'ny hoe resy lahatra fotsiny izao ny olona noho ny zava-miseho, henony sy hitany maromaro.




Kaminina Ambositra I sy II
Harenina ny Rovan'Ambositra
Fanombohan'asa roa sosona no nomarihina tao Ambositra. Voalohany amin'izany ny fanombohan'ny asa lalana avy eo Ilanitra mampitohy an'Ambohiponana sy Andranonanahary, ka hanatsarana ny fifamoivoizana amin'ireo Fokontany telo ireo. Ny FER no nahazoana ny famatsiam-bola mitentina 92 millions Ariary ary haharitra 4 volana eo ho eo ny asa ka mirefy eo amin'ny 3Km 400m. Faharoa hetsika fanaingana ny vahoaka handray anjara amin'ny fanarenana ny Rovan'Ambositra izay rava teo aloha. Ka ny fantatra aloha hatreto dia efa mijoro ny "Comité National du Patrimoine" avy ao amin'ny Présidence ka nitondra 20 milions Ariary hoan'ny fanarenana ity Rovan'Ambositra ity ka ho fanampiana sy ho fanohanana io lelavola io no anton'ny ezaka fanaingana ny rehetra.
Fa ho an'ny Kaominina Ambonivohitr'Ambositra dia noraisina sy naseho ny vahoaka ihany koa ny kamiao miaraka amin'ny bac à ordures 3. Nomena hazo voamboana longrine 30 ihany koa ireo mpanao asa tanana eto Ambositra hanampiana azy ireo eo amin'ny asa fivelomany. Samy fanomezana avy amin'ny Prezidansin' ny Repoblika avokoa ireo.




Mandehandeha mahita raha
Tonga dia lasa. Tsy mitambona mihitsy ny filoha Ravalomanana, mitady izay hambarany fa ahasoa ny vahoaka Malagasy. Tsara ny dia. Io hatrany no hambarany isaky ny tonga avy mitety firenena izay notsidihany izy. Fifanarahana ara-barotra sy ny fampahafantarana ny kolontsain'ny firenena. Fikarohana tsena afahana mamatsy rano fisotro madio, na herinaratra. Heno hatrany izany amin'ny tatitra ataon'ny filoha.
Mandehandeha tokoa mahita raha hoy ny fomba fiteny izay. Ny "Force One" aza voalaza fa tsy maharaka ny asa tokony ho ataony, ka mety hisy ny fanovana ity fiaramanidina manokan'ny filoham-pirenena ity. Raha ny fahitana ireo asa nataon'ny filoha ireo anefa, dia azo hambara fa asa vitan'ireo minisitra ao anaty Governemanta tsara. Ny mahagaga anefa, dia ny filoha mihitsy no mandray an-tanana ny raharaha. Midika ve ireo, fa tsy manana traikefa amin'ny fahaiza-mandresy lahatra mpanam-bola ireto minisitra ireto ? Fiaramanidina tahaky ny ahoana ihany koa ny mety aharaka ny dian'ny filoha Malagasy ? Sa ity "Force One" ity hosolona "MIG" satria ireny no haingam-pandeha tsara ? Ireo dia saika resaka nandeha teny rehetra teny omaly, saingy tsy atao tora-po anefa ny fanehoan-kevitra, ka ho hita eo ihany ny tena marina.




Ady amin'ny kere
Be ny tany, fa ny mpamboly no tsy ampy
Midadasika i Madagasikara. Mbola ny 25% ny tany azo volena ihany anefa no misy mamboly. Antony maro no mahatonga izany, dia ny tsy fisian'ny fikarakarana manokana ireny tany ireny, toy ny fanamboarana ny lakan-drano hanondraka ny velaran-tany.
Io trangan-javatra iray io no mahatonga ny tantsaha hitady fivelomana hafa, ka ny fiakarana antanàn-dehibe no masaka ao an-tsaina. Raha ireo mbola manajary ny tany kosa, dia tsy mitombo ny velaran'ny tany volena, fa ny fiheverana ny hampitombo ny vokatra avo roa heny amin'ny faritra efa voajary no tanjon'izy ireny. Iarahana mahalala anefa fa mamokatra karazam-boly samy hafa i Madagasikara noho ny hatsaran'ny toe-trandro eto. Niditra an-tsehatra ny firenena Libianina nampindrana trakitera miisa 6 mba ahafahana mamokatra amin'ireo velaran-tany maro eto. Voafetra ihany anefa ny fampindramana ireto fanampiana ireto. Azo atao tsara anefa ny mividy fitaovana toy izao, ka ny faritra no hiandraikitra izany, ary ny fikambanan'ny tantsaha no hampiasa io, mba ho tombontsoan'ny mpamboly sy ny vahoaka ao amin'ilay toerana. Tokony hipetraka mazava ihany koa ny fanentanana ny mponina mba ahay hanajary ny tany, fa tsy ho sanatria ho sodokan'ny haitraitra aty an-tanàn-dehibe. Ilaina noho izany ny fametrahana fotodrafitr'asa maro eny anivon'ny tontolo ambanivohitra, toy ny jiro sy ny fampidirana rano fisotro madio. Ny hisian'ny serasera manaraka ny vanin'andro ankehitriny. Ny sekoly sy toera-pitsaboana dia tokony hipetraka mazava ihany koa. Raha ireo no hita isaky ny faritra, dia ho azo antoka fa tsy hisy olona haniry honina aty an-drenivohitra, izay tsy mifanahatsahana amin'ny fomba fiainany tany ambanivolo. Finiavana goavana anefa no tsy maintsy apetraky ny fanjakana mba ahatontosa izany. Mila fandraisana andraikitra goavana mba hiadiana amin'ity kere mety ahazo vahana maneran-tany ity.




Fotoam-bavaky ny FJKM
Voazarazaran'ny politika ny mpino
Vory lanona ny mpino FJKM teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Niombom-bavaka momba ny faha-40 taona nijoroan'ity finoana FJKM teto Madagasikara.
Nandritra ny laha-teny nataon'ny filohan'ny FJKM, Lala Rasendrahasina no nanamafisany ny andraikitry ny fiangonana momba ilay rafim-pampianarana vaovao nampetraky ny fanjakana. Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fijerin'ny fiangonana Katolika tanteraka ny kabary izay niseho ny alahady sy ny fotoam-pivavahana nataon'ny katolika andro vitsy lasa izay teo Mahamasina ihany. Tsapa hatreto, fa voazarazaran'ny politika ny mpino, raha mandre ireny kabary isan-karazany ireny. Maro no mametraka fanontaniana hoe hatraiza no mbola mety hifandraisan'ny fiangonana ao amin'ny FFKM ? Mazàna mantsy dia misy ny fanehoan-kevitra iraisan'izy ireo, saingy mbola hitoetra ve izany amin'izao fomba fijery samy hafa izao ?




Ny asa vita no hifampitsarana
Hifantoka any amin'ny loa-bary andasy ny sain'ny mpanara-baovao maro ny herinandro ho avy izao. Hetsika izay karakarain'ny eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika, mba ahafantarana izay asa vita sy ny mbola tsy efa. Fepetra iray natao mba ahalalana ny olona notendrena hitana andraikitra nahavita ny asany antsakany sy andavany, sy ny nanao alasafay izany andraikitra goavana izany. Ny asa vita no hifampitsarana, ka na dia hipetraka an-taratasy maty paika aza ny tatitra isan-karazany, dia hiarihary amin'io ny tena nahavita be teny anivon'ny fiaraha-monina sy ireo hafa. Ho henjana ny fepetra mety ho raisin'ny filoha amin'ity indray mitoraka ity, satria maika ny asa fampandrosoana eny anivon'ny vahoaka. Manangana ny rindrina sy mametraka ny tafo isika izao, hoy ny filoha, ka tsy ilaina ny olona mitaredretra. Mety hiafara any amin'ny fanoloana minisitra amin'ny toerany na lehiben'ny faritra sy ireo olom-boatendry hafa ve ity loa-bary an-dasy atao eny iavoloha amin'ny herinandro ity ? Ho hita eo, fa ny azo antoka aloha, dia maro ny hiaro ny rambony tsy ho tapaka.




Fitsinjaram-pahefana
Vao maika tsy mazava
« Délégués régionaux du gouvernement » indray izao no malaza. Hapetraka io rafitra vaovao eny anivon'ny faritra io raha ny tatitry ny filan-kevitriny minisitra tamin'ny talata teo no asiana teny. Ny « Délégués régionaux du gouvernement », araka io tatitra io, dia tompon'andraikitra tendren'ny praiminisitra, lehiben'ny gouvernementa. Eo indrindra no tsy mazava ny resaka satria mantsy vao tsy ela akory izay no nanendrena ireo roa ambinifolo mianadahy mpikambana ao anatin'ilay atao hoe « Cellule de coordination des actions » eo anivony faritra. Raha ny fantatra dia ny minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana no nanendry ireo olona ireo. Ny minisitriny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia tsy iza fa ny Praiminisitra, lehiben'ny gouvernementa Charles Rabemananjara ihany. Vao maika tsy mazava ny resaka satria tsy fantatra intsony ny fahefan'ny lehiben'ny faritra, izay mbola tsy olom-boafidy hatramin'izao, fa tendren'ny filohan'ny Repobilika eo anivon'ny filan-kevitry ny minisitra. Raha mbola tendrena foana mantsy ireo lehiben'ny faritra ireo dia lehibe telo izao ny solotenan'ny mpanatanteraka eo anivon'ny faritra, izay rafitra natao ho fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana na ny « Décentralisation ». Ny Lalam-panorenana anefa dia mametraka tsara fa ny lehiben'ny faritra dia olom-boafidy na « personnalité élue ». Tsy izany anefa ny zava-misy hatrizay ka hatramin'izao. Manginy fotsiny ny tsy nisian'ny fifidianana ben'ny tanàna teo anivony fari-pifidianana telo lehibe dia i Sainte- Marie, Nosy Be ary Taolagnaro. PDS hatramin'izao no mipetraka eo anivon'ireo tanan-dehibe telo ireo. Na izany na tsy izany dia tsapa fa mivangongo be ihany ny fahefana eo ampelatanan'ny Praiminisitra Charles Rabemananjara amin'izao fotoana izao. Voaporofo ny maha olona faharoa ny fanjakana azy aoriany filohan'ny Repobilika.




Asan-jiolahy etsy sy eroa
Manjaka ny basy vita gasy
Mahazo vahana indray ankehitriny ny basy vita gasy ampiasain'ireo andian-jiolahy maro eto amintsika. Porofon'io ny fahitana ireo olon-dratsy voatifitry ny mpitandro ny filaminana ahiatana itony basy vita gasy itony. Mihorohoro ny mponina, satria ankoatry ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay ampiasain'ireo olon-dratsy, dia ity fitaovana vita gasy ity indray no eny ambalahan'ireto olon-dratsy. Maro no efa tratra, saingy mbola misy ny mampiasa izany. Tambazotra goavana noho izany no fantatra fa miray tendro amin'izy io.
Eto andrenivohitra mazana no tena ahitana azy ity. Eny amin'ny toerana be mpandalo toy ny etsy Soarano sy Ambodin'Isotry mazana no voalaza fa hanjakan'ireo jiolahy miaraka amin'ny basy vita gasy. Mino isika fa tsy hitandro hasasarana noho izany ny mpitandro ny filaminana handamina ny tanàna, ary ho fongotra hatramin'ny farany ny ati-doha miketrika itony fitaovam-piadiana mora vidy nefa mahafaty olona itony.




Amboanjobe
Lavitry ny rano fisotro madio
Tao anatin'ny andro maro izay, dia miaina amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ny mponina eny Amboanjobe. "Masiso izahay vahoaka, satria na ny rano entina mba hidiovana aza tsy misy".
Efa maro ny fitarainana nalefana eto amin'ny kaominina Amboanjobe nalefa any amin'ny JIRAMA, saingy toa tsy nisy valiny hatrany izany. Tao anatin'ny herinandro izay dia nandeha nandritra ny 24 ora ny rano, saingy mitsitaitaika ny fandehan'io. Zara raha nisy rano ho sotroina. Avy eo indray, dia tapaka tanteraka io rano hatramin'izao. Voatery mandeha eny andoharano ny mponina matsaka, nefa ny fahadiovan'ireny rano ireny tsy azo antoka firy. Manao antso avo amin'ny JIRAMA ireto vahoaka ireto mba hijery haingana izao fahavoazan'ny mponina izao, satria efa tanjon'ny fanjakana ny hananan'ny mponina rano fisotro madio.




Tompony mangataka ny atiny
Ny taona ho avy io no hanomboka ny fanondranan'ireo goaibe mpindrandraka ny harena ankibon'ny tany toy ny fasy mainty ho any ivelany. Ny orin'asa QMM no nahazo ny tsenan'ny fitrandrahana, ary voalaza fa voafehy tsara ny fifanarahana na ny an'ny fanjakana foibe na ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana.
Namboarina ny seranan-tsambo ao Tolagnaro afahan'ireo sambo mitaona ny vokatra. Nanamboarana trano vaovao ny mpiasa. Napetraka ny fiarovana ny tontolo iainana, ary voafehy tsara ny fiarovana ny zon'olombelona. Tsara ireo, fa aoka kosa ambara mazava amin'ny vahoaka ny tena marina. Fantatra fa 100 tapitrisa dolara isan-taona ny vola hiditra amin'ny fanjakana Mlagasy. Ny an'ireo vahiny kosa, dia 7 miliara dolara isan-taona. Isika rehetra no manao ny kajikajy. Mandritra ny 50 taona ny fifanarahana amin'ireto vahiny ahafahany mitrandraka ny harena eto. Mby aiza amin'io ny tena tombontsoa ho an'ny Malagasy ? Sa rehefa misy "vaza mihetsika" dia efa basy araky ny fomba fiteny ? Mba misy orin'asa Malagasy mitrandraka ny harena vahiny ve any ivelany any, ka toy izao fifanarahana eto izany no hatrehany any ? Isika rehetra no mandinika, fa ny fiotazana ny vokatra ataon'ny vahiny ity efa hanomboka afaka roa volana.




Norbert Lala Ratsirahonana
Mandinika vao mandray fepetra
Tsy re firy ny tenako amin'ny fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena. Antony, dia mitazana ny fomba fiasan'ny fitondrana aho. Eo no hitsaranay ny asa vitany. Ilaina ny mangina, sao hambara fa mamingana ny fandaharan'asan'ny fanjakana. Aorian'ny fahitana ny asa nataon'ny mpitondra vao manapaka hevitra. Io no nambaran'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana omaly raha sendra ny mpanao gazety. Tsy mba fomban'ny antoko misy anay ny mitabataba mialoha, nefa ny ilay olona mbola eo an-dàlam-piasany. Ny vahoaka ihany koa mandinika, hoy ity mpitarika ny antoko AVI ity. Rehefa tonga ny fotoana hanehoanay hevitra, dia miara-mahita eo isika, hoy ny lehilahy.




Fonciers
Vakinankaratra : région la plus avancée
Un atelier régional axé sur la modernisation des services fonciers s'est déroulé à l'hôtel Diamant Antsirabe, la semaine dernière. Les principaux organisateurs sont le ministère de l'Aménagement du territoire, le Millénium Challenge Account (MCA) M/car, le Fit conseil ainsi que la région Vakinankaratra. L'objectif de cet atelier est l'évaluation des missions effectuées par le Fit conseil durant la 1ère année d'existence dans la région Vakinankaratra.
Le Fit conseil, est un organisme qui assure la gestion et le suivi des guichets fonciers ainsi que celle des données en matière foncière. Selon le coordinateur national de la Réforme foncière, parmi les 6 régions touchées par l'action de MCA, Vakinankaratra est la région pilote en matière de modernisation et décentralisation des services fonciers. Le résultat est positif grâce à la volonté politique de la Région qui a utilisé la méthode RRI " Résultat Rapid Initiative ". Les 5 autres régions sont : Menabe, Amoron'I Maria, Itasy, Alaotra, Mangoro et Analamanga. Pour la région Vakinankaratra, il a été prévu d'installer 85 guichets fonciers ; 73 sont opérationnels et les 12 restants vont être ouvert au début du mois de décembre.




Injay ilay feo
Nahazo sehatra tamin'ny haino aman-jery samy hafa teto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka tao ho ao. Ao raha hoy ny fomba fiteny izay. Mampahatsiaro ny zava-nitranga taorian'ny taona 1991 ny toy izao, ka nampiongana ny profesora Zafy Albert tao anatin'ny taona vitsy.
Dia heno fa hiverina an-tanindrazana hono ny amiraly Ratsiraka ? Izay ve no tena marina ? Injay ilay feo, hoy ny mpitazana. Rehefa tsy nahatafavoaka baolina ny mpanohitra teto an-toerana nandritra ny fotoana maro, dia arangaranga fa ho avy ilay kapitenin-tsambo nandositra adidy tao anatin'ny fotoana sarotra. Fotoana izay namoizana ain'olona maro, ary nampifandrafy ny mpiray tanindrazana. Maro ny ra latsaka tamin'ny taona 2002, ary latsaka tany anaty hantsana ny toe-karena Malagasy. Enin-taona aty aoriana, dia hiverina hono ny amiraly Ratsiraka. Ho voasitran'izany ve ny ratran'ireo nigadra sy namoy ny ainy tamin'izany ka hatramin'izao ? Sao dia ho avy ilay fandraisana ilay fivoriana in-droa miantoana ho atao manomboka ny taona ho avy iny, ka apetraka ny karazana korontana maro samy hafa, mba hisakanana io hetsika goavana io ? Iarahan'ny rehetra mahalala fa tsy hanaiky ny hisian'ny fisamborana ity filoha teo aloha ity ireo mpanara-dia azy. Eo no hipetrahan'ny ahiahin'ny rehetra, toy ny nitranga tamin'ny saika fahatongavan'ingahy Pierrot Rajaonarivelo tany Toamasina farany teo. Inona ny fepetra ho raisin'ny fanjakana manoloana izany ?




Raharaha 2002
Ho avy ireo nitsoam-ponenana ?
Efa ela no naniry hiverina eto Madagasikara ireo nitsoam-ponenana any ivelany momba ny raharaha 2002. Tsy mbola nety anefa ny tetika, satria ingahy Pierrot Rajaonarivelo aza tsy tafiditra. Niraraka ny ivin'ny sasany any an-dafy raha nalalaka ny fidiran'i Rossy teto. Rossy izay noheverin'ny maro, fa ho raisim-potsiny raha vao migadona eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin'izay anefa no hita, satria tsy mba isan'ireo nametraka herisetra tamin'ireny raharaha nafana teto Madagasikara farany ireny ny tenany. Mitohy ny mozika mafana ataon'ity mpanan-kanto ity, ary maro no faly amin'ny fahitana azy eto an-tanindrazana indray. Mandeha ny feo fa hiverina eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha. Ny fahasahiany hanao izany no tsy fantatra. Tsapa kosa anefa fa sahy hisedra ny fonja toy ireo namany teo aloha izay mbola tavela any ivelany.
Mbola betsaka ireo nandositra
Maro amin'izy ireo mantsy no mihevitra fa tsy maintsy handalo amin'io toeram-piofanan'ny mpanao politika malagasy izy ireo rehefa miverina eto. Fomba iray hanomezana endrika ny fitondrana Malagasy ihany koa ny toy izao. Ny antony, dia hanakoako eran'izao tontolo izao, fa nahiditra am-ponja avokoa ireo Malagasy tsy nitovy hevitra tamin'ny taona 2002. Hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fandraisana ny fivoriana iraisam-pirenena ho atao eto io. Mety hampihemotra ny firenena hafa satria ho voalaza fa tany tsy mandala ny demokrasia i Madagasikara. Maro ireo anaran'olona mbola tavela any ivelany. Isan'io ny filoha teo aloha ny amiraly Ratsikaraka sy ny vady aman-janany. Ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, izay efa nogadraina teto, ary nalefa nitsabo tena any ivelany. Ny Praiministra lefitra teo aloha Pierrot Rajaonarivelo. Lalatiana Ravololomanana, Herivelona Ramanantsoa, sy ny maro samy hafa. Raha hamitram-pihavanana ve no ahatongavany eto, hanaiky izany ve izao fitondrana izao ?




« Adinony ianao »
« Adinony ianao e ! » Tonon-kiran'i Olombelo Ricky izay toa lasa miverina ao an-tsain'ny rehetra io raha mahita ny zava-misy ankehitriny. Lany tokoa mantsy ny teti-bolam-panjakana 2009 ary toa tombotsoa mihoam-pampana ho an'ireo mpitondra no be dia be fa ny an'ny vahoaka kosa dia toa adino tanteraka. Mahakivy sy mahaketraka ireto vahoaka nifidy azy ny mahita fa ireto solombavam-bahoaka nofidiny ho solotenany dia toa tsy miraharaha akory azy ireo fa ny hanatevina ny efa eo ampelatanany no mahamaika azy. Nananga-tànana izy ireo, asa aloha raha tena nandanjalanja, dia lany ny lalàna. Vokany tsy azo hiodivirana : hitombo ny isan'ireo saro-pivelomana. Iza tokoa no tsy mahalala fa na ilay karama noraisina teo aloha dia efa zara raha mahavelona ? Vao mainka indray hitambesaran'ny hetra vaovao satria na ireo « primes » sy « avantages » keliny aza dia handrimbinana indray, dia asa fotsiny.
Hananga-tànana izy ireo ary ho lanin'izy ireo amin'ny Talata ho avy izao, ohatra, ny lalàna izay manaisotra ireo mpiasa maro eo anivon'ny antenimierampirenena, mpiasa izay hanatevina ihany koa ny isan'ireo saro-pivelomana satria, raha ny loharanom-baovao azonay, dia tsy handray afa-tsy ny ampahatelon'ny karama noraisiny ny ankamaroan'izy ireo rehefa miverina eny amin' ny FOP, raha ampitahaina. Tsy eo intsony mantsy ireo « avantages » fandrain'izy ireo raha niasa teo anivon'ity antenimiera ity izy ireo, ny vidim-piainana anefa tsy mitsaha-mitombo.
« Redéploiement du personnel » no hiantsona ity lalàna ho laniana ity, ary tsy maintsy ho lany satria efa notambazana tombontsoa maro samy hafa ireto solombavambahoaka ireto, raha tsy hilaza afa tsy ny « tickets carburants » izay efa lasa 11 tapitrisa iraimbilanja isam-bolana (ary toa mety hiakatra 15 tapitrisa) sy ny karama efa nihanatevina. « Baiko avy any amin'ny Banque Mondiale ny nandraisana io fepetra io », hoy ny fialan'ny sasany. Ekena fa nangataka izany ity mpamatsy vola ity, kanefa tsy afaka nahena kely ve ny tombontsoa efa mihoampampana azon'ireo olom-boafidy ireo dia notazonina ihany ireo mpiasa ?
Toa zary mandatsa ilay anarana hoe « solombavambahoaka » raha ireo zava-misy ireo no jerena, satria toa ny tombontsoa manokana sy ny an'ny fanjakana foibe no tsijovin'izy ireo fa tsy niaro na kely fotsiny aza ireto vahoaka nametraka azy teo amin'io toerana io. « Adinony ianao fa fitaka ny toky . »




Omaly tsy miova
Mbola miaina ao anatin'ny vidin-tsolika midangana ny ankamaroan'ny mpanjifa eto amintsika. Toa tsy misy fiantraikany any amin'ny vahoaka akory ny fidinan'ny vidin'ny barika ho 60 dolara eo amin'ny tsena iraisampirenena. Mbola tsy lany ny tahiry nividianana ilay solika 140 dolara, hoy ireo orinasa mpanafatra solika avy any ivelany. Tsy hamono antoka izahay ka aleo aloha ho ritra ireo novidiana lafo, vao mandinika ny mety ho fidinan'ny solika izahay. Efa nampidina ihany ry zareo, saingy misy dikany inona eo amin'ny vahoaka mpanjifa ny Ar100 sy ny Ar 50 ?
Ny andrasan'ny maro dia efa antsasany tamin'ny vidiny teo aloha ny hita any ivelany, ka rariny raha midina hatrany amin'ny Ar1600 ny litatra ny lasantsy sy Gasoil. Ho azo antoka fa hanaraka mora foana an'io ny fidinan'ny vidim-piainana eto amintsika. Ny any ivelany dia fantatra fa efa antsasany avokoa ny vidin'ireny solika ireny amin'izao fotoana izao. Ny eto amintsika mba rahoviana ? Ekena fa nilaza ny fanjakana fa hanafatra solika, saingy rahoviana io ? Mahareta fa hanana ny soa, hoy ny mpitazana, saingy ho faty ihany ny malagasy mandram-pahatongan'ny farany. Dia ny omaly tsy miova ihany no hita eto e.




Mpanao politikan'Imerina
Inona no nivorian'izy ireo teny Antsahadinta ?
Taitra ny Merina. Tsy ny Merina manontolo fa ireo mpanao politika eto amin'ny tanàna no tonga saina ka nanambatra ny heriny. Nahilik'izy ireo tamin'ity fikambanana ity kosa ireo mpanao politika tao amin'ny Arema teo aloha toa an-dry Harinaivo Rasamoelina sy ry Ange Andrianarisoa na dia samy avy eto afovoan-tany aza.
Zanaka ben'ny tanàna teo aloha sy zanaka pasitera efa nitana andraikitra goavana tamin'ny fitondrana teo aloha, miampy vehivahy mpandraharaha tanora nilatsaka filoham-pirenena farany teo. Ireo no isan'ny lohany tamin'izao fivoriana omaly izao. Nikaon-doha tao ihany koa mpanao politika iray izay nanana ny maha-izy azy saingy nangina kely tao anatin'ny fotoana maro. Io lehilahy io dia isan'ny nandany vola be tamin'ny fametrahana ny filoham-pirenena ankehitriny tamin'ny toerany. Misy mpisolo vava izay fanta-bahoaka ihany koa nanampy tosika azy ireo.
Tsy nisy nipika ny resaka fa ny tsilian-tsofina re dia tsy manaiky ny hanapotehan'ny sasany ny ho avin'ny Merina izy ireo. Voalaza fa ninia nangina nandritra ny fotoana maro mba tsy hanakana ny fomba fiasan'ny mpitondra Merina izy ireo, saingy toa mivoana any amin'ny tsy tokony ho izy intsony ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Tsy nisy resaka fandrombaham-pahefana kosa anefa tao na dia izany aza fa fanambarana ny hery aloha no maika nandritra ny fivoriana nataon'izy ireo. Izay mitambatra hono vato, ary izay misaraka fasika, saingy na eo aza izay fitambarana izay dia nohalavirin'izy ireo toy ny fasam-bao kosa no mitakosona tamin'ireo olon'ny amiraly Ratsiraka teo aloha. Mety hamadihan'ny sasany ny resaka ho ny amiraly ihany no ambadik'izy ireo angaha no tsy hitakosenany amin'ireo olona ireo ? Voaresaka tao ihany koa ny momba ny fanasan'ny mpitondra azy ireo amin'ilay loa-bary andasy atao eny Iavoloha manomboka rahampitso. Misy rivotra politika hafa hitsoaka indray izany eto manomboka izao.




Loa-bary an-dasy
Hanomboka rahampitso
Hifantoka eny Iavoloha indray ny mason'ny mpanara-baovao manomboka rahampitso talata. Herinandro be izao no hanaovana ilay loa-bary an-dasy handinihana ny fizotra ny asa amin'ny fanatanterahina ny MAP nandritra ny taona 2007.
Manana andraikitra goavana amin'io ireo olom-boatendry sy tompon'andraiki-panjakana maro samy hafa. Inona no vita, ary inona no tsy mbola hefa ? Hamaritra izany no tanjona amin'ity fihaonana eny Iavoloha ity, ary handray anjara amin'io ihany koa ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny mpiara-miombona antoka amintsika.
Nasaina manokana ihany koa ny mpanohitra tsy mitovy fomba fijery amin'ny mpitondra, mba hanehoan'izy ireo ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena. Misy loha-hevitra isan'andro amin'ity fihaonana ity, fa ny andrasan'ny maro dia ny hoe inona ny fepetra ho an'ireo tsy nahavita ny asany antsakany sy andavany ? Ny azo antoka aloha dia hirarakompana ny asa hambara fa vitan'ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany ireo, mba hilazana fa tena nahavita be teo amin'ny fanatanterahina ny MAP izy ireo.




Tapatapany
Ny asabotsy teo no nidina teny amin'ireo faritra heverina fa mety hitrangan'ny tondra-drano ny ministry ny Rano sy ny avy ao amin'ny APIPA. Fitsidihana nampahafantarana ihany koa ny fahavitan'ireo fefiloha tsy hisian'ny tondra-drano eto Iarivo. Niara niaiky ny rehetra fa maro ireo asa vita, nefa hahasakana ny tsy hisian'ny tondra-drano ve izany amin'ireo tanimbary maro nototofana eto andrenivohitra toy ny etsy amin'ny Digue ?
Manomboka anio ny sazy ho an'ireo olona manana fiara tratra mividy entana eny ampandehanana. Fepetra noraisin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny tanànan'Antananarivo mba hisoroana ny mety hisian'ny fitohanana be loatra sy ny mety hitrangan'ny loza. Hanafoanana miandalana ihany koa ireo mpivarotra mandehandeha mameno tanana ny toy izao.
Mpiasa mahatratra 150 monina amin'ireo tranon'ny Madarail no fantatra fa nahazo taratasy fanalana azy ireo amin'ny toerany. Ireo mpiasa ireo dia voalaza fa ireo niala antsitra-po ny taona 2001. Mahatratra 600 ireo mpiasa ireo, saingy voalaza fa hatramin'izao dia mbola tsy nahazo ny zo tokony nomena azy ireo.
Notoloran'ny ministry ny Kolontsaina mari-pankasitrahana i Mikea ny sabotsy maraina teo. Tamin'ny nahazoan'ity mpanakanto malagasy ity ny laharana voalohany tamin'ny hetsika nokarakarain'ny RFI. Ireo telo voalohany no nomena izao fanomezana ka ny minisitra Jean Louis Robinson no nitarika ny lanonana.
Nanangona Penjy R




Vakinankaratra
Misokatra Tanteraka amin'ny any ivelany
Mahomby ny haitarika raha ny faritra Vakinankaratra no ambara satria ny ambaratongam-pahefana rehetra dia samy maneho izay fahaiza-mitarika izay ary tsy mijanona fotsiny amin'ny asa fampandrosoana anatiny fa mitodika sy mivelatra amin'ny any ivelany. Porofon'izany ny ezaka ataon'ny Ben'ny tanàna an'Antsirabe Ambonivohitra torak'izany ihany koa ny lehiben'ny faritra Vakinankaratra Randimbiharimanana Etienne ho an'ny faritra iraimanontolo. Rehefa avy namita iraka tany ivelany sy nitsidika firenena roa i Quebec ( Canada) sy Nanjing (Chine), ary voafidy ho mpikambana ao anivon'ny birao maharitry ny fikambanan'ny ben'ny tanànan'ireo firenena mampiasa amin'ny ampahany na manontolo ny teny frantsay « AIMF » (Association Internationale des Maires Francophones), ny Ben'ny tanàna Antsirabe I Olga Ramalason dia efa any Strasbourg indray izy ankehitriny miatrika ilay « Andro Eropeanina momban 'ny fampandrosoana ».Midika izany fa tsara ny fifandraisana any ivelany.
Firenena 4 hiara-hiasa amin'i Vakinankaratra,
Tsy ireo tomponandraikitra eo anivon'ny kaomina ihany anefa no miezaka manatsara izany fifandraisana any ivelany izany fa ny eo amin'ny faritra mihitsy. Faritra 4 any ivelany ary izao no miara-miasa amin'i Vakinankaratra noho ny ezaka ataon'ny lehiben'ny faritra na dia vao haingana ihany aza izy no teo amin'ny toerana. Sehatra telo lehibe no voakasik'izao fiaraha-miasa izao ka ny sehatry ny fizahan-tany dia ny faritra Auvergne any Frantsa no mpiara-misalahy amin'i Vakinankaratra, ny lafiny serasera indray no hiarahana amin'ny Basse Normandie izay ahazoan'ny faritra ny radio ho an'ny fampandrosoana, ary firenena iray ao Afrika Atsimo sy Quebec no hifanampy amin'i Vakinankaratra amin'ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny « Label Vakinankaratra » eo amin'ny lafiny toekarem-pamokarana mitodika amin'ny tsena. Amin'izao fotoana izao dia efa any ivelany ny lehiben'ny faritra mamita iraka amin'izay fanatsarana ny fiaraha-miasa izay torak'izany ihany koa ny Ben'ny tanàna Antsirabe I.




Hiatrika ny safidim-bahoaka
Anio no ho tsarain'ny vahoaka ny asa vitan'ireo olom-panjakana maro eto amintsika. Ao anatin'ilay loabary an-dasy etsy Iavoloha no ahitana izany. Andeha ny kajikajy rehetra momba ny asa vita, nefa ny fiantraikany izany eny anivon'ny vahoaka mba manao ahoana ? Tsara ny tarehi-marika mety hivoaka, fa ny asa vita ihany no hifampitsarana hoy ilay antoko iray izay. Samy hiaiky isika rehetra fa nisy ny asa vita, fa mba firy isan-jaton'ny nampanantenaina kosano vita. Voatsangana ve ny rindrina nambara fa ho atao mandritra ny dimy taona manaraka sa ahoana ? Hiatrika eny antoerana ihany koa ireo mpamatsy vola mahazatra izay ahita ny fomba fiasan'ity fitondrana ity. Midika io fa toy ny miatrika safidim-bahoaka ireo olom-panjakana nomena fahefana hitondra ny vahoaka mandritra ny dimy taona izao. Herinandro ny faharetan'ity dinika ity, ary mety ho hita eo ihany koa izay nomena andraikitra, nefa tsy nahavita ny asany, ka mety ho esorina amin'ny toerany.




Dian'ny filoha Ravalomanana tany ivelany
Homamiadana ny fery tsy sitrana 5 taona
Tonga avy any ivelany indrayny filoha Ravalomanana. Tsara ny diha hoy izy, ary maro ny firenena vahiny vonona hanampy an'i Madagasikara. Hiatrika ny loa-bary an-dasy etsy avoloha isika hoy ny filoha Ravalomanana, ka anjaran'ny rehetra ny mandinika sy mandritra ny asa tokony hanarenana ny firenena. Nomeny tsiny kosa ny fandrenesana ny tsy handraisan'ny mpanohitra anjara amin'ny laha-dinika manomboka anio eny Iavoloha. Toy izany koa ny momba ny lonilony misy eo amin'ny mpanohitra momba ny raharaha 2002 ireny. Fery tsy sitrana toy izay, efa homamiadana hoy izy. Maniry ny hifanomezan'ny rehetra tanana amin'ny fampandrosoa ny firenena ny filoha Ravalomanana.




Be tsy handraofana
Raikitra ny fitokonan'ny mpiasan'ny antenimieram-pirenena omaly maraina. Hetsika ho fanehoana firaisan-kina amin'ny tsy fanekena ny fandroahana mpiasa ao amin'ity andrim-panjakana ity.
Roan-jato mahery ireo nanao fihetsiketsehana omaly. Tsara ny firaisan-kina, fa tsy maintsy atao kosa ny fanadiovana hoy ny ankilany. Tsapa fa maro tamin'ireto mpiasa ao amin'ny antenimieram-pirenena ireto no matoatoa. Izany hoe izay olo-maventy tonga ao dia mitondra ny akamakama sy ny fianankaviany avokoa mba hampidirina hiasa ao. Dia mivangongo ao avokoa izy rehetra, na dia hita aza fa tsy misy asa ataon'izy ireo. Dia ny volam-panjakana no majifa araky ny fomba fiteny.
Be tsy handraofana kosa hoy ny mpitazana aty ivelany. Fepetra henjana noraisin'ny filoha Jacques Sylla kosa ny tsy maintsy hanadiovana izany. Dia raikitra io ny hetsika ho firaisan-kina. Iza no omena tsiny amin'izany ? Tsara ny milaza fa hanaja ny fepetra mifandraika amin'ny fandroahana mpiasa ity andrim-panjakana ity, ka ho hita eo tokoa ny tena fahaizana mifandamina eo amin'ny andaniny sy ny ankilany.




Mpanohitra sy Ravalomanana
Te-hiresaka fa matikena-maso
Mbola miantso ny mpanohitra hatrany ny filoha Ravalomanana omaly teny Iavoloha. Henohy ny feon'izy ireo, ary aoka mba hifantoka tanteraka any amin'ny tena fampandrosoana ny resaka. Antso izay miantefa mivantana any amin'ny mpitondra ankehitriny, ny tsy hanavahana firehena amin'ny famoahan-kevitra mandritra ny loabary an-dasy eny Iavoloha io. Raha ny hita anefa, dia tsy nisy tonga teny amin'iny lapa io ny mpanohitra rehetra. Ny Otrikafo aza dia namaly fa tsy hanamafy ny fahefan'ny vahiny mpanjanaka izy ireo na dia nahazo fanasana aza. Ny hafa, dia toa mihevitra fa ny filoha mivantana mihitsy no tokony hitafa amin'ny mpanohitra, ary manara-maso ny ady hevitra ny FFKM sy ny fiaraha-monim-pirenena isan-karazany. Hatreto, dia tsapa fa te-hifanatona ny mpanohitra sy Ravalomanana, fa ny hena-maso imasom-bahoaka no betsaka. Voalaza fa nisy fihaonana mangina teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, saingy nangataka ny tsy hivoahan'ny resaka ny mpanohitra ? Raha tena hifantoka any amin'ny fitiavan-tanindrazana sy hampandroso ny firenena miaraka tokoa ny andaniny sy ny ankilany, inona no tsy hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, toy ity loabary an-dasy ity.




Fanabeazana eto Madagasikara
Handefa horonantsary any Norvezy ny ministera
Hamokatra horonan-tsary iray ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Malagasy (Men) ho entina mampahafantatra ny dingana vita ankehitriny ho fanatanterahana ny « Sekoly vaovao ho an'ny rahampitso ». Halefa sy haseho any Oslo, renivohitr'I Norvezy izy io mandritry ny fivorian'ny antsoina hoe « Groupe de haut niveau » izay karakarain'ny UNESCO izay tanterahina any amin'io firenena io ny 16 ka hatramin'ny 18 desambra ho avy izao. Ity horonan-tsary ity, araka ny voalaza, dia mampiseho indrindra ireo asa natao amin'ny fametrahana ny rafi-pampianarana vaovao eto Madagasikara.
Handray anjara mavitrika amin'io fivoriana io isika. Zatovo 6 mianadahy no hisolo tena ny firenena malagasy. Hifandinika sy hifanakalo hevitra amina zatovo norvezianina tahaka azy izy ireo. Ho resahina amin'izany ny manodidina ny sekoly lafatra sy ny mpampianatra lafatra (good school, good teacher). Tamin'ny herinandro lasa teo, noraisin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena ireto tanora hisolo tena ny mpianatra namany. Hiara-dia amin'ireo namany norvezianina mitovy taona aminy mandritra ny dimy andro izy ireo ka hanolotra ny vokatry ny dinidinika hataony miaraka ho an'ny Ministry ny Fanabeazana norvezianina sy malagasy.
Voarakitra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'izy ireo ihany koa ny fitsidihana sekoly Fanabeazana Fototra maromaro, ny tanàna sy toerana manan-tantara ary mpanao asa-tànana malagasy.




Olan'ny lahy sy ny vavy
Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana
zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan'ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin'ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko.
Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin'ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny antony, dia ny lahy hambara ho mijangajanga. Eo ihany koa ny tsy fampidirana vola ao amin'ny tokan-trano, na mamo lava. Na efa lehibe aza ny zaza, dia mitombina ilay oha-pitenena hoe" zaza fito tsy maha-fehy trano".
Ny olona misaram-panambadiana, dia voalaza fa ny 20% ny tafasaraka ihany no lasa manambady. Ny ambiny, dia manao fiainana selibatera. Tsy manakana azy ireo tsy hitia olon-kafa kosa anefa izany. Mananika ny 32 taona no mizotra amin'ny fisaraham-panambadiana, ka tsy manambady intsony. Manana olon-tiana kosa anefa izy ireo, ka lehilahy efa manambady avokoa no mamelona azy ireny. Tia fiainana milamina ny olona eo amin'io taona io, ary mila filana ara-nofo matetika. Voalazan'ny mpanao fanadihadiana, fa ankoatry ny filana ara-nofo, dia tia mandeha ho entina mankany amin'ny trano filanonana ihany koa izy ireny. Eo no mitarika ny vehivahy hanala azy amin'ny fisotroana sy fifohana sigara. Ny sipa kely araky ny fomba fiteny koa, maro be ka mila mihetsika, sao lasan'ireny ny olona izay nitia ny tena. Telo volana ny aorian'ny fisaraham-panambadiana vao afaka misoratra amin'olon-kafa indray ny ilay mpivady. Enim-bola io teo aloha. Miha-mafy ny fiainana eto amintsika, ary maro no te-hiadana nefa tsy maharaka ny filana ny vola miditra. Tsy ho gaga isika raha be ireo mampirafy ny tokantranony. Ny lehilahy 45 taona ka hatramin'ny 60, dia vehivavy eo amin'ny 30 ka hatramin'ny 45 taona no tiany. Ny mihoatra an'io kosa ny taonany, dia tovovavy 13 ka hatramin'ny 23 taona no mahafinaritra azy ireo. Ny 65% ny ankizy mihoatra ny 14 taona no voalaza fa tsy virjiny intsony. Ny lehilahy kosa dia mahatratra 85% ny mampirafy ny vadiny.
Tsy misy ohatry ny fifanajana ihany, ary ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandeferana raha te-hiadam-pinaritra ao anatin'ny fianan-tokantrano isika mianakavy. Sa raha tsy be vola tsy milamina io ?




Milatsaka ny orana
Dibo-drano ny tanàna
Io ary ilay efa nolazaina. Feno rano ny arabe sy lakan-drano maro isan-karazany. Miakatra ny loto, satria tsentsina ny tatatra. Miangona ny fako, ary maloto ny tanàna.
Efa maro ny fanairana natao, saingy toa tsy naha-taitra ny hafa. Mitohana ny fifamoivoizana. Mety hisy hilaza fa izay foana anie no teto e. Marina izany, fa tsy mba misy fandrosoana ve fa ny oimaly tsy miova ihany no hita eto ? Inona no mba fepetra noraisina manoloana ny loto ataon'ny vahoaka manentsina ny tatatra ? Toa tsy mba misy fivoarana ny eto, fa vao maika aza potika andro aman'alina. Aiza ilay fiofanana nampanaovina ny sefo fokontany teny Iavoloha no tsy hampiharina amin'ny fahaizana mitarika vahoaka hanaja ny fahadiovana ?
Tsy hifanome tsiny lava eto isika fa mila mandray andraikitra ny rehetra. Io no lalana hialana amin'ny fahavoana matetim-pitranga eto amin'ny tanana. Sa anjaran'ny ben'ny tanana io ?




Ampahany no hita
Tora-kovitra ny rehetra raha nandre fa tratra teto Madagasikara ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny "heroine" sy ny "cocaine". Karana no nampiditra io antsokosoko, saingy tsy avelan'ny marina tsy hipoitra ny ratsy. Toerana iray heverin'ny hafa fa ho tobim-pamaharan'ny rongony mahery vaika ny eto. Matoa tafiditra teto ireny, dia misy ny mpandray ny entana. Ary io hiarahana mahita io ny handrakandrana ataon'ny tanora Malagasy, ka tsy ho gaga isika raha heverin'ny hafa ho loharanom-bola amin'io sehatra io indray ny eto Madagasikara. Ampahany no hita, fa ny efa tafiditra tsy hay intsony. Midadasika ny morontsiraka eto. Ny fitaovana entina hanaraha-maso ny entana mivoaka sy miditra eto anefa tsy ampy. Dia ho gaga ve isika raha maro amin'ny olona eto no manao ny tsy fanao intsony ankehitriny ? Ny habibiana isan-karazany tsy tenenina intsony. Miha-potika ny toe-tsain'ny Malagasy. Isan'io ny fidorohana zava-mahadomelina, na io fohana na ihany koa tsindrona no ampiasaina. Soa aloha fa tratra ireo ati-doha manampoizina ny Malagasy, ary inoana fa tsy hijanona hatreo ity tantara fa ho fongotra hatramin'ny fakany.




Antenimieram-pirenena
Hajaina ny zon'ny mpiasa
Mitohy ny fandroahana mpiasa etsy Tsimbazaza. Omena ny zo sahaza azy ireo mpiasa ireo. Tsy manaiky lembenana ny mpiasa etsy ankilany, satria famotehana ny mpiasa Mlagasy ny tahaka izao. Mbola mitazana ny sendika misy ireto mpiasa ireto hatramin'izao.
Miitatra hatrany amin'ny fandroahana ireo lohandohan'ny mpiasa mitarika fitokonana ny raharaha. Sahiran-tsaina ny mpiasa eo anatrehan'izany. 200 mahery ireo mpiasa efa noesorina. Tsy izay tombontsoa fanome ny mpiasa esorina no olana hoy ny mpiasa fa ny asa fivelomanay mihitsy no potehina. Izao ve no vokatry ny tolona nametrahana ireto mpitondra antsika ireto hoy ny sasany ? Tsy sasatry ny mandroaka mpiasa izy ireo hoy ny hafa. Miantso ireo sendika maro samy hafa ireo mpiasa etsy Tsimbazaza mba hijery haingana izao olana etsy Tsimabazaza izao.




Misaona ny asa fanaovan-gazety
Maty i mompera Remi Ralibera
Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly maraina tamin'ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin'ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin'ny lakroan'i Madagasikara. Efa filohan'ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon'ny FFKM izy. Tsy mena-miteny amin'ny tsy fahombiazana izay ampetraky ny mpitondra nifandimby teto izy. Raha ny fantatra, dia rahampitso alahady no fotoana handevenana ny nofomangatsikan'i Mompera Remi Ralibera.




Mila savony
Tsy misy mpandraharaha iray tsy mikolay eto amin'ny tanàna. Manahy ny ho avin'ny orinasa Malagasy izy ireo noho ny tsy fisian'ny fiarovana azy ireo mivantana, ka hanjakan'ny entana vahiny ny tanàna.
Isan'ny naneho ny tsy hafaliany ny avy eo anivon'ny savonnerie tricale ny alakamisy teo. Famotehana ny orinasa Malagasy no hita eto, na dia hambara aza fa omena ny sehatra sahaza azy ireo mpandraharaha eto amin'ny tanana. Inona no tena marina hoy ny mpitazana, satria ny mpitondra, dia ny manambara omnieny, fa hampetraka amin'ny sahaza azy ny mpandraharaha Malagasy ? Tsy ny orinasa mpanao savony iray etsy Ankorondrano ihany no mitaraina, fa maro. Iza izao no niafaran'ny orinasa iray mpamokatra lafarinina eto ? Toy izany koa ny orinasa mpanao taratasy sy kahie lehibe iray teny Ambohimanambola ? Marina fa misy ny ezaka famelomana ireo orinasa Malagasy toan'ny SIRAMA sy ny JIRAMA, ary ny Air Madagasikara, saingy tokony hisy fikaonan-doha manokana ny fijerena azy ireny. Ain-dehiben'ny firenena ny mpandraharaha, ka mila savony isika eto hanadiovana ny fomba fiasa, mba tsy ny vahiny hatrany no ahazo laka eto. Misy ny loabary an-dasy eny Iavoloha, izay hanomezana sehatra ny hery rehetra. Moa ve mba ho tafita ao anatin'io ny hetahetan'ny mpandraharaha eto amin'ny tanana ?




"Madagscar naturellement !"
Nahabe resaka nandritra iny herinandro iny ireto vahiny mihaohao eto amintsika. Tao ny Pakistane izay mamoafady mihitsy fa mampiditra zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Efa voatazona moa izy ireo raha ny fanadiadiana tamin'ny sabotsy lasa teo tao amin'ny Fampanoavana no jerena. Tamin'izy valo voarohirohy dia iray ihany, ilay tompon'ny kamiao, no nahazo fahafahana vonjy maika. Ny sisa dia voatazona any am-ponja mandra-piandry ny fitsarana. Isan'ireo nahiditra am-ponja ny mpamily ilay kamiao sy ireo mpanampy azy.
Ny filohampirenena moa dia nampitandrina mafy ireo mpandraharaha sy vahiny tsy manara-dalàna. Raha tsorina dia ho roahany ireo miadaladala. Asa moa na mpandraharaha vahiny no tena resaka eto na mpandraharaha malagasy koa.
Fa ny tena loza iray mitatao ihany koa ity fikasana na fifanarahan'ireto Koreana tatsimo hamboly maimaimpoana araka ny filazan'ny gazety amina velaran-tany mahatratra 1,3 tapitrisa hektara any amin'ny faritra andrefana sy avaratra atsinanan'ny Nosy. Na dia notsiniana na nokianin'ny solontenan'ilay orinasa koreana aza ny fahamarinan'izany vaovao izany dia tsara ihany ny mailo lalandava.
Ra-Malina aza hono mifehy hazo tokana.
Ity resaka ity moa dia miverina amin'ilay efa nokianina hatramin'izay hoe ny tany tsy amidy amin'ny vahiny. Misy fomba fanaon'ny mpitondra hatrizay dia ny "bail emphythéotique". Mampanofa moa no dikany hita maso. Misy tsininy izy io satria mety hahatratra 99 taona ny faharetan'ny fampanofana. Ary toa io 99 taona io mihitsy no vinavina.
Raha ny fampandrosoana sy fampiroborobona ny fambolena no tena imatesan'ny fitondrana ankehitriny dia efa hitan'ireto Koreana ireto ny toerana tiany hambolena. Ary ny vinavinam-pamokarana dia mitetika ny hamokatra menaka 500 000 taonina isan-taona sy katsaka 4 tapitrisa taonina isan-taona rizareo. Raha ireo vokatra ireo aloha dia tsy ho lany eto an-toerana fa ny ampahany betsaka dia haondrana. Izany hoe, hiroborobo ny fanondranana. Saingy azo antoka fa ny fambolena eto amintsika dia voafatotra mandrakizay. Tsy hita intsony izany hoe "Madagascar naturellement" izany. Ny antony dia tsy maintsy hanenjika ny vinavina rizareo ary noho izany antony izany dia tsy maintsy hanafatra masomboly avy any ivelany. Ary dia ireo masomboly antsoina hoe OGM (organisme génétiquement modifié), na masomboly efa voavoatra, hainga-pitombo ary manome vokatra betsaka lavitra noho ny masomboly voajanahary na voafantina sy voakojakoja tsara aza izany masomboly OGM izany. Ny vokany eo amin'ny fahasalamana dia tsy fantatra loatra fa mino izahay fa misy voka-dratsiny io.
Isan'ny voka-dratsiny ohatra dia ireny olona matavy vondraka ireny. Ary raha tsy misy voka-dratsiny ve izany OGM izany, hiady mafy mba hanakanana ny fihanak'izy ireny ny sokajin'olona maro sy fikambanana maro any amin'iny firenena eropeana ?
Raha toa tsy misy voka-dratsiny ve izany OGM izany, hiazakazaka mitady ny sakafo na vokatry ny fambolena na vokatry ny fiompina tsy mampiasa akora simika ny mpanambola sy ny tokan-trano mahatakatra ny vidiny any ivelany any ? Satria tsorina fa lafo dia lafo ankehitriny ny vokatra "natoraly" na vokatra lazaina hoe "biolozika".
Soa aloha hatramin'izao fa lafo ny zezika simika sy ny fanafody tokony hiaraka aminy amin'ny fambolena ka tsy takatry ny mpamboly rehetra eto amintsika. Isan'ny niaro antsika angamba ny fahantran'ireo tantsaha ka izao ny filoha vao mamporisika ny voly vary maro anaka na SRI. Tsapany ve anefa ny loza mitatao ? Ny fantatra aloha dia i Indonezia no isan'ny mpamokatra masombolin'ny "palmiers à huile" matanjaka indrindra eran-tany ; ary i Etazonia indray no tena ngezalahy raha resaka masombolina tsakotsako sy malaza amin'ity OGM ity. Ny fantatra koa dia mihaohao mihitsy ireo firenena tsy manana velarantany lehibe hahazoany mamokatra sakafo ho an'ny mponina ao aminy, indrindra tao aorian'iny resaka krizin-tsakafo (crise alimentaire) maneran-tany iny. Raw




Miandry ny vokatra
Hifarana anio ilay loabary an-dasy eny Iavoloha. Ankolafin'olona maro no nandray anjara tamin'ny ady hevitra teny. Niainga tao ny teknika sy ny tora-po avy amin'ny olona nasaina. Samy nihevitra ny tenany ho marina sy mahomby avokoa tamin'izany ady hevitra izany. Ny hevitry ny maro tokoa hono no maha-taka-davitra.
Ireo teny hifanomezana valo ao amin'ny MAP no novelabelarina tao. Nijerena ifotony ny lalan'ny fahombiazana sy ny mbola tsy efa. Na dia hita aza fa samy nilaza ny zava-bitany ny rehetra, dia kely ireny raha mitaha amin'ny fahoriam-bahoaka. Misy mihitsy ny nanome naoty ho 4/20 ny fomba fiasa. Niaiky kosa anefa ireo mpanatanteraka fa maro no tsy maintsy hatao. Ho vita ity ny loabary an-dasy. Miandry ny vokatra ny rehetra, satria matoa miketrika, dia manantena ny nahandro ho masaka. Be ihany koa ny tora-kovitra, satria izay tsy nahavita mety ho soloina. Tsy hiandry ny tsy mahavita ny fianam-pirenena. Andrasana izay ho fanampahankevitry ny filohampirenena. Marina fa tsy ny fanovana olona lava izao no ahitana vokatsoa eo amin'ny asa izay atao, fa ho hanatra ho an'ny hafa kosa ny tsy fahombiazana. Mety ho kadoa ratsy ho an'ireo esorina amin'ny toerany izany, satria mandeha ny tombana fa hisy fiovana goavana eto, ny voalohan'ny taona ho avy iny. Ho hita eo.




Kaominina mendrika
Lasan'i Toliary ny voalohany
Ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny valin'ny fifaninanana kaominina mendrika. Tao anatin'ny volana vitsy no nanaovana ity fifaninanana ity, ary tsapa fa na dia tsy dia nazava tamin'ny ankamaroan'ny ben'ny tanàna aza ny fepetra napetraka, dia niroso tamin'ny fifaninanana ihany izy ireo. Fantatra fa ny kaominina ao Toliary voalohany no hibata ny amboara voalohany. Lelavola goavana io, ary ny kaominina ao Analavory ny faharoa. Ny fahaiza-mitantanana sy ny fomba fiasa nataon'izy ireo tamin'ity taona ity no nitsarana azy. Ny fomba fampidiram-bola sy ny fahadiovana ihany koa dia isan'ireo tafiditra tao anatin'ity fifaninanana ity.




Mompera Remi Ralibera
Nanefa ny adidiny ny fanjakana
Tonga niondrika teo anoloan'ny vatana mangatsiakan'i mompera Remi Ralibera ny asabotsy teo ny fitondram-panjakana. Ny Praiministra Charles Rabemananjara no nitarika azy ireo, izay samy nanamafy fa nanana ny anjara andraikitra lehibe noraisiny teto amin'ny firenena ity pretra ity. Azo ambara fa very olo-manga ny firenena. Teny niverimberina tamin'ireo olona nitsapa alahelo teny amin'ny toerana nisy ny vatana mangatsiakany izany. Ny asa fanaovan-gazety no tena nahafantarana azy, ary mahitsy fiteny amin'izay fomba fijery tsy mifanaraka amin'ny filan'ny vahoaka. Zezoita fanta-daza teo amin'ny finoana i mompera, ary anio no hanaovana veloma farany azy, ka asitrika eny amin'ny fasan'ny Zezoita etsy Ambohipanja Ilafy.




Loholona Rabetsitonta
Hanaovy trano ny mpiasam-panjakana
Isan'ny olana lehibe ho an'ny mpiasa malagasy ny trano fonenana. Fangatahana ny hampidirana ao anatin'ny tetibolam-panjakana manaraka ny hanaovana trano ho an'ny mpiasam-panjakana. Io no fangatahana nataon'ny loholona Tovonanahary Rabetsitonta ny zoma teo tetsy Anosikely.
Tsy zakan'ny mpiasam-panjakana intsony ny hofan-trano izay midangana andro aman'lina. Hiarahana mahita anefa ny fijaliana eo amin'ny ho enti-manana izany. Maro ny mihevitra fa ilana ny hametrahana ilay politikan'ny fanaovan-trano. Hampihena ny fahantrana eto amintsika ny fisian'io, satria mba afaka hiaina toy ny olona rehetra ny mpiasa malagasy. Hatreto aloha, dia mbola i mompera Pedro ihany no tena misongadina eo amin'ny fitsimbinana ny vahoaka madinika. Olon-tsotra nefa afaka manangana trano amin'arivo. Trano heverina fa manara-penitra ho an'ireo vahoaka sahirana tamin'ny fiainana.
Inona no sakana tsy ahavita toy izany manerana ny faritra 22 eto Madagasikara ? Ingahy loholona Rabetsintonta dia nilaza mazava fa fepetra tokony hapetraka eto haingana ity fanorenan-trano ho an'ny mpiasa ity. Asa aloha na ho tonga any amin'ireo mpanan-tanteraka izany na tsia.




Voadingana ny TGV
Lany olo-manga ve ny TGV ka olona avy amin'ny antoko hafa no nalainy hiara-miasa amin'ingahy Ben'ny tanàna ? Raha vao nandray ny toerana maha-Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina, dia vitsy tamin'ireo tazana niaraka taminy tamin'ny fifidianana no nahazo toerana. Saika olona efa nipirina tany amin'ny nisy azy avokoa no tazana nandrafitra ny teo amin'ny kaominina folo volana lasa izay.
Dia gaga ny rehetra hoe lany olo-manga angaha ny Tanora Gasy Vonona no ireo olona tsy niray petsapetsa nampiakatra azy tamin'ny toerana no miravaka ny vangy ? Hifarana ity ny taona no nanova ny ekipa miaraka aminy indray ny Ben'ny tanàna. Fahasahiana goavana izany, satria tsy misy olombelona tonga lafatra. Nahazo toerana i Ny Hasina Andriamanjato sy Elia Ravelomanantsoa. Tanora vonona sahy manao fanamby amin'ny fampandrosoana ny tanàna miaraka amin'ny andry TGV. Hitsara azy ireo ny vahoaka manomboka izao. Olona fanta-bahoaka teo amin'ny sehatra maro izy mianadahy ireo, izay azo antoka fa hifameno amin'ingahy Ben'ny tanàna. Tsara ho an'ny hafa, fa mety ho ratsy ho an'ny sasany. Ny antony, dia tsy azo lavina ny mety hisian'ny fijery politika avy hatrany. Tsy hilaozan'ny hevitra hanambara fa manomana ny fifidianana amin'ny 2012 izy ireo. Izay ve no marina ? Ny andrasana aloha hatreto, dia ny ho fiovan'ny tanàna, satria izay no maika. Manana fahaiza-manaony ireto olona ireto matoa nariana ny akoho taman-trano tao amin'ny kaominina, ka nosoloina ny akanga tsara soratra. Voadingana ihany koa ny TGV maro, saingy ho reharehan'izy ireo ny asa ho vitan'ireto olom-baovao vao nantsoina ireto. Ny AVI sy ny AKFM Fanavaozana, ary ny Madagasikarantsika izany ireo mpanao politika anilan'i Andry TGV. Mbola misy hafa ve sa izay ihany ? Mety hisy hilaza mantsy hoe io ary ilay nolazaina fa feno mpanao politika ao ambadiky ity Ben'ny tanàna ity. Inona no maharatsy izany ?




Fanovana Organigraman'ny kaominina
Fahefan'ny Ben'ny tanàna izany hoy Guy Rivo Randrianarisoa
Izay ahasoa ny tanàna no tanjona. Izay no hitan'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa mety eto andrenivohitra, dia zony tanteraka izany. Vao tsy ela hoy ny tale Jeneralin'ny Fitsinjarampahefana, Guy Rivo Randrianarisoa, no nivoahan'ny lalàna manome fahefana ny Ben'ny tanàna hanala ny lefiny, na ireo mpiara-miasa aminy hita fa tsy mahomby. Tsapan'ny Ben'ny tanàna eto andrenivohitra io, ka noraisiny ny fahefana rehetra. Mitovy ny Ben'ny tanàna rehetra aminy, ka tsy manana olana amin'ny eto andrenivohitra manokana ny tenany. Aleo hipirina ny politika fa izay ahasoa ny tanàna no andeha hiarahana mibanjina h




Feno fako Andralanitra
Maloto ny renivohitra
Tsy misy olana tsy voavaha. Anio dia efa hijery izay fomba rehetra hanalana ny fako eto andrenivohitra ny eo anivon'ny kaominina eto andrenivohitra. Misy ny olana sedraina hoy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina, dia ny hafenoan'ny fako eny Andralanitra. Na ny fiara vaventy tokony hiditra eny aza tsy afaka manao izany intsony rehefa hitatitra fako. Misy ny fijerena ny vaha-olana hainga hiarahana amin'ny manam-pahaizana vahiny, hisorohana ny fitobian'ny fako be loatra. Tsy misy olana tsy azo vahana hoy ingahy Ben'ny tanàna.
Ny vahoaka kosa anefa etsy ankilany, dia efa tsy mahandry izany, satria maimbo ny tanàna misy azy. Ny hetra aloha ihany. Miparitaka ny lalitra sy ny voalavo. Ny fety anefa ho avy. Ireo rehetra ireo no tsapa eny anivon'ny fiaraha-monina rehetra eny. Mino anefa isika fa hadio tsy ho ela ny tanàna, ary mba ahay ahatsapa ny fitandroana ny fahadiovana ihany koa isika rehetra.




Mamboly korontana
Any amin'ny fanovana organigrama nataon'ny ben'ny Tanàna teto an-dRenivohitra indray izao ny resaka. Samy milaza izay mba vetsovetsony ny rehetra. Ao ny faly, ary tsy vitsy ihany koa ny tezitra. Feo heno manerana ny Renivohitra io omaly.
Ny tena mampalahelo, dia ny fanitaran'ny sasany ho any amin'ny resaka foko. "Nahoana hoy izy ireny no Merina avokoa no manodidina an'ingahy Ben'ny tanàna, nefa ny foko manontolo no nifidy an'i Andry Rajoelina. Renivohitr'i Madagasikara manontolo ity, ka tsy tokony asiana fanavahana" ? Dia taitra ny maro nandre ny tenin'ity mpanao politika iray ity io omaly io. Nahoana no dia faly mamboly korontana tahaka izany ? Manana zo feno ny Ben'ny tanàna amin'izay olona heveriny fa afaka ny hiara-hiasa aminy. Zava-doza ny fampidirana ity resaka foko ity amin'ny fiainam-bahoaka andavanandro, ka ilaina ny manalavitra io, sao hamotika ny mpiray tanindrazana. Aoka hitoetra hatrany ny hoe Malagasy ray sy reny isika, ary aza afangaro resaka hafa ny fitadiavana toerana. Sa izay no heverin'ny sasany fa làlana iray ahafahana mitady seza etsy sy eroa ?




Imerintsiatosika
Potiky ny orana ny voly
Faly sahirana ny mponina amin'ny filatsahan'ny orana eto amintsika. Faly satria mba nahazo aina ny voly isan-karazany. Sahirana ihany koa anefa, satria toa be loatra ny rotsakorana tonga.
Mitaraina ny mponina eny Imerintsiatosika mahita ny tanimbary dibo-drano. Potika avokoa ny ankamaroan'ny vary izay tokony hiakatra atsy ho atsy. Andro maro lasa izay, dia nirotsaka ny havandra teny an-toerana. Namono ny voly sy ny fiompiana izany. Tonga indray anefa ity ny ora-mikija. Na izany aza dia tsy kivy ny mponina amin'ny hetraketraky ny natiora. Mitohy hatrany ny fanarenana ny simba. Maro no mihevitra fa ilaina ny fanamboarana ny lakan-drano, mba ahafahan'ny rano mivarina any an-drenirano.
Ankoatra io, dia potika ihany koa ny làlana ao antampon-tanàna. Misy ny ezaka ataon'ny kaominina amin'ny fanamboarana izany, saingy ao anatin'ny fotoam-pahavaratra izy ireo no manao ny asa ka miteraka fotaka mandrevo.




Fikambanana Miarintsoa
Hanampy ny tananàn'i Vangaina
Vangaina, tanàna 45 km miala ny renivohitra ary 10 km avy ao Mahitsy. Mikarakara hetsika ara-koltoraly ny fikambanana Miarintsoa izay mijoro efa ho herintaona izao. Ny tanjona moa dia mba ho entina hanampiana ny fokontany any an-toerana amin'izao an- katoky ny fety izao. Ka mba hahafahan'ny fikambanana manatanteraka izany dia hifamotoana miaraka amin'ireo mpihira efa sangany eto amintsika indray ireo mpandala ny kanto ny faha-5 desambra ho avy izao. Etsy amin'ny Espace Mon Goûter etsy Andrefan'Ambohijanahary no hisehoan'izany ka hanomboka amin'ny 9 ora alina. Hanana endrika cabaret ny fotoana ary hafanain -dry Rija Ramanantoanina, Fàfà ao amin'ny tarika Mahaleo ary Goth Lieb. Ho tonga hanotrona ny feomangan'izy telolahy i Fara sy Prisca.




Hihinana sa hiandry laoka ?
Asakasakareo mbola tsy ho avy amin'ny fiantsoako manaraka. Tenin'ny filoha Ravalomanana ny alarobia teo io raha namarana ny loabary an-dasy teny Iavoloha ny tenany. Momba ny lalana hifehy ny antoko politika eto Madagasikara no nasiany teny tamin'io.
Hiantso ny antoko rehetra aho atsy ho atsy, izay handinihana ny fitsipika hifehy izany antoko politika eto amintsika izany. Maro no naneho ny heviny momba io izay nankasitraka. Isan'io ingahy Manandafy Rakotonirina sy ny Jeneraly Ramakavelo. Ny filoha mpitarika ny AREMA Matotra, Pierre Raharijaona, sy ny ingahy Reverend Satrobory avy amin'ny AMF/3FM dia vonona sy nisaotra ny filoha Ravalomanana. Ny avy ao amin'ny antoko AVI Laureant Ramaroson dia ny fomba fanaovana politika eto mihitsy no hilana fanitsiana. Ankilan'izay ireo mpanao politika tena tsy mankasitraka izao fitondrana izao, dia toa tsy rototra amin'io antson'ny filoha Ravalomanana io. Ny mahagaga ny mpitazana anefa, dia manao antso avo amin'ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena. Moa ve tsy efa fikaonandoham-pirenena ny toy izao sa zavatra hafa mihitsy no ilain'ny sasany ? Ny hametraka ny toeran'ny mpanao politika amin'ny toerana sahaza azy no tanjona, koa inona no tsy handraisana anjara amin'ny ady hevitra ? Moa tsy hambara fa mirona any amin'ny fanoherana avokoa ny ankamaroan'ny antoko eto, koa nahoana raha atambatra ny hery handresen-dahatra amin'ny lalana hapetraka eto. Ka hihinana sa hiandry laoka ny antoko politika sasany eto ?




Fikambananan'ny TAXI eto andrenivohitra
Mitaky ny hampidinana ny solika
Efa tafidina hatrany amin'ny 50 doalara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, mbola tsy hita veroka ny fidinan'io eto Madagasikara. Miankina amin'io vidin-tsolika io anefa ny tsena anatiny eo amin'ny mpamily fiara karetsaka.
Hivondrona izy ireo ato ho ato, ka hitaky ny hampidinana ny vidin'ny solika hifanahatsahana amin'ny vidiny eo amin'ny tsena any ivelany. Zara raha misy mandeha taxi ny olona ankehitriny. Ny antony, dia tsy takatry ny mpanjifa ny sarany alain'ny mpamily. Tsy maintsy atao mifanaraka amin'ny litatry ny solika anefa ny sarany hoy izy ireo. Ny vidin'ny piesy fanolo koa anefa etsy ankilany midangana tanteraka. Ho faty ny mpandraharaha eo amin'ity sehatra ity raha izao no mitohy hoy izy ireo, satria efa lasa mandeha bus avokoa ny mpandeha taxi ankehitriny. Ny mpandeha bus kosa efa mandeha tongotra. Ny mpandeha tongotra teo aloha angamba ny mandady sisa no tsy ataony hoy ireto mpamily ireto.
Manao antso avo amin'ny fanjakana izy ireo ny mba hijereny akaiky izao zava-misy izao mba ahafan'ny rehetra mivelona tsara tsy ao anatin'ny fanararaotana.




Tapatapany
Lasan'i Toliary ny loka
Hivoaka anio ny valin'ny fifaninana kaominina mendrika. Atao eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana. Fantatra fa lelavola sy fitaovana afaka ho entin'ny kaominina miasa avy hatrany no loka ho zaraina. Raha ny fantatra, dia ny kaominina Toliary voalohany no hibata ny loka goavana. Ny filoha Ravalomanana no hitarika ny fotoana amin'ity anio ity.
Mandry tsy lavoloha Ivato seranana
Miaina ao anatin'ny horohoro ny ankamaroan'ireo mponina eny amin'ny kaominina Ivato seranana. Ny antony dia noho ny fandrenesana ireo fanafihan-jiolahy tao ho ao nitranga teny amin'io kaomina io. Amin'ny 9 ora alina, dia efa mikatona avokoa ny ankamaroan'ny mpivarotra eny an-toerana. Tsy misy sahy mivoaka alina intsony ihany koa ireo mpirevirevy eny amin'io tanana io. Na eo aza anefa izany, dia mieazaka mampandry fahalemana ny tanana ireo tompon'andraikitry ny filaminana isan-karazany.
Hifanatrika amin'ny governemanta ny loholona
Anio hariva no hiaona mivantana amin'ireo loholona ny mpikambana ao amin'ny Governemanta. Fihaonana izay fanaon'ireo andrim-panjakana roa ireto ny toy izao. Fametrahana fanontaniana mivantana sy arahim-baliny no hita ao, ary ahafantarana bebe kokoa ny tetikasan'ny Governemanta manaraka.
Asa fanaovan-gazety
Ny taona ho avy iny no voalaza fa hanaovana ny fifidianana izay ho mpikambana vaovao ao anatin'ny holafitry ny mpanao gazety. Fantatra io nandritra ny fiakaran'ny governemanta teny amin'ny lapan'ny Tsimabazaza. Momba ny lalana mifehy ny asa fanaovan-gazety ihany koa dia nasian'ny ministra miahy ity sehatra ity resaka.
Nanangona N.K




Adino ilay 4 L isan-tokantrano
Raha vao nandray ny fahefana ny filoha Ravalomanana taorian'ny 2002 dia nanambara fa faraharatsiny mba mahazo 4L isan-tokantrano ny malagasy rehetra. Faly ny rehetra satria ity vao tena fahombiazana. Isika rehetra no mitsara valo taona aty aoriana na nahazo izany ny ankamaroantsika na nivarotra ny kely teo am-pelantanana.
Niova indray io ankehitriny, ka lasa scotera maro be indray no nafarana. Tsy hangalana haba io, fa ny hirariana ny hananan'ny malagasy tsy vaky volo izany moto izany ho entina miasa andavanandro. Tsy taitra intsony ny maro nandre izany, satria lanja miakatra ny fiainana fa tsy lanja midina. Ny an'olona mihazakazaka any amin'ny mercedes sy ny hafa isika kosa midina makany amin'ity moto kely ity. Ny Force One aza hosoloina fa tsy maharaka ny asa ilana azy, koa nahoana no tsy mba maniry hiakatra isika fa maniry midina tahaka izao ? Adino tanteraka aloha ilay 4L isan-tokantrano, nefa mino isika fa aleo mahazo moto, toy izay mandeha kalesy.
Manantena isika fa andeha araky ny tokony ho izy ihany koa ny fanamparitahana ity moto ity, ka mba ho takatry ny vahoaka maro an'isa tokoa izy io.




Fizarana loka teny Iavoloha
Maika ny fanampiana ny tantsaha
Vita omaly teny Iavoloha ny fifaninana kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary. Teny Iavoloha no nanaovana ireo lanonana roa sosona ireo, ary ny filoha Ravalomanana no nitarika izany.
Mamokatra ny tantsaha hoy ny filoha rehefa omena fitaovana, ary mipetraka tsara ny fanentanana atao amin'izy ireo. Tokony hipetraka ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miainga eny amin'ny faritra tsirairay. Ho porofointsika aty amin'ny faritry ny SADC sy COMESA ary ny COI fa i Madagasikara no voalohany aty amin'ny faritra misy azy amin'ny voka-bary.
Tsy maintsy manatanteraka ny andraikitra nimatimatesany ny ministera hoy ny filoha Ravalomanana amin'ny fananganana koperativa hanoro lalana ny tantsaha. Hentitra ny filoha amin'ny famatsiana ny tantsaha amin'ny zezika sy ny famatsiam-bola ny tantsaha. Hajoro ny orinasa madinika sy salantsalany. Tantsaha afaka manondrana ny vokatra novakariny no tanjona hoy ihany ny filoha omaly teny Iavoloha.
Tantsaha 3 no nibata ny loka omaly, ary kaominina 4 kosa no nahazo loka tamin'ny fifaninana kaominina mendrika. Nomena loka avokoa anefa ireo 43 ambiny tamin'izany fifaninanana izany. Mbola nohamafisin'ny filoha Ravalomanana tamin'ireo ben'ny tanàna tonga teny fa ho avy ny môtô lehibe omena ireto ben'ny tanàna manerana ny kaomina rehetra eto Madagasikara. Vita omaly izany ny fanolorana ny loka ho an'ny kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary nampanaovana tamin'ity taona ity.
Momba ny resaka fanaovana politika eto Madagasikara kosa, dia tokony ho maty hanina ny mpanao politika eto. Tsy resaka fitadiavana seza no atao, fa politika ho amin'ny fampandrosoana. Tokony ho 5 ny isan'ny antoko politika eto, ary nampiomana ny mpanao politika rehetra ny filoha fa hampiantso ny mpanao politika rehetra atsy ho atsy. Hiezaka ny fanjakana amin'ny fanampiana ny antoko politika, mba ho tena maty hanina. Miandry ny andro hanatanterahina ny fikaonan-doha izany ny rehetra.




Fikambanana Manaovasoa
Mitaky ny hikambanan'ny AKFM roa tonta
Antoko matanjaka ny AKFM, saingy noho ny fiparitahany tany amin'ny taona 1989 dia nanomboka samy naka ho azy ny mpikambana tsirairay. Dia io hiarahana mahita io ny lalana nizoran'ireo kamarady rehetra hoy ny dokotera Manan'Ignace.
Ny fitambaran'io antoko Akfm roa tonta io no lalana iray ahatafavoaka ny firenena hoy izy. Manana olona manam-pahaizana maro ity antoko ity, ary manana ny lazany eto Antananarivo ; eny hatrany amin'ny faritany teo aloha, toa an'Antseranana, Toamasina. Midika izany fa rehefa hikambana izy ireo, dia hanamafy ity antoko ity avokoa ireo mpikambana nisitaka.




Lalana hifehy ny antoko politika
Be ny miandry fampiavanam-pirenena
Lalana hifehy ny antoko politika Be ny miandry fampiavanam-pirenena Tonga ilay nandrasana. Hiroso amin'ny sata hifehy ny antoko politika isika eto Madagasikara. Ny fanjakana no hitarika izany, ary handray anjara avokoa ireo hambara fa antoko politika mahatratra 187 eto Madagasikara. Tsy hisy ho tapenam-bava na dia iray aza ; ny hevitra no ataovy mafonja, fa izay no lalana afahana mametraka izay tian-kajoro. Ny mitovy firehana dia efa afaka manambatra ny hery, ary ireo izay mihevitra fa mahaleotena, dia afaka mitondra ny azy ao anatin'ny fivoriambe izay atao atsy ho atsy. Ny tsy mbola fantatra, dia ny mety handraisan'ireo fiarahamonim-pirenena sy ny sosiete sivily, ny Kmf/Cnoe, ary ny FFKM anjara ao anatin'ity fivoriana ity.
Manana ny anjara toerany lehibe ireo eo amin'ny fiainam-pirenena, ka tsy tokony atosi-bohon-tanana. Nanana ny heviny izy ireo teo amin'ny fanehoana ny raharaham-pirenena, ary iaraha-mahalala ny sehatra nisy azy ireo teo amin'ny politika teto Madagasikara. Fampihavanam-pirenena Re koa izao, fa maro ireo antoko politika avy aty amin'ny fanoherana no mikaon-doha sahady ny tokony hampidirana ny fampihavanam-pirenena.
Misy ny milaza fa tsy ny raharahara 2002 ihany no tokony hanaovana izany fa ny zava-nisy rehetra hatramin'izay. Tsy vitsy anefa ny nanambara fa ny raharaha farany nitranga teto enin-taona lasa izay no ilana fandinihana mba tsy hisian'ny valifaty politika eto Madagasikara. Aorian'io hoy ny antoko mpanohitra sasany eto amintsika vao miroso amin'ny fandinihana ny sata hifehy ny antoko politika. Te-hody antanindrazana Tsapa hatreto, fa misy antoko te-hamerina ireo Malagasy nitsoam-ponenana any ivelany tao aorian'ireny raharaha 2002 ireny.
Tao ho ao, dia hita fa tsy nitsahatra niditra mivantana tamin'ny haino aman-jery teto ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier. Nandeha ny feo fa maniry ny hody eto andanindrazana ireo nitsoaka matanjaka any ivelany ireo. Hanaiky izany ve anefa ny fitondrana ankehitriny ? Tsaroan'ny maro tsara ny fikasana hiverenanan'ingahy Pierrot Rajaonarivelo teto Madagasikara ny taona 2006 ireny. Nosakanan'ny fitondrana ankehitriny tsy hanitsaka ity nosy ity ny lehilahy tamin'ny fomba rehetra. Manana ny fandaharan'asany izay apetrany nefa ny fanjakana, ary manana ny azy ihany koa ny mpanao politika hanatrika ity fivoriana eny Ivaloha ity. Ho tafiditra ao anatin'ny fivoriana ihany ve ireo voalaza farany ireny ? Ny sata hifehy ny antoko no nambaran'ny filoha Ravalomanana hatao, nefa mihitatra sahady ny fanirian'ny hafa hanao ilay fampihavanam-pirenena sy ny hiverenan'iretsy nitsoaka any ivelany eto amintsika. Inona tokoa moa no maharatsy izany ? Sa mety hanelingelina ny fiandrianam-pirenena ny fodian'izy ireo eto ?




Volabe fa tsy hay trandrahina
Hanomboka ny asa etsy Andralanitra. Ho lasa toerana fialam-boly indray izany afaka herintaona ilay toerana fanariana fako sy nampikolay ny maro etsy Andralanitra. Miditra antsehatra mihitsy ny mpamatsy vola toy ny frantsay amin'ny alalan'ny AFD amin'ny fanomezana vola ho enti-mikarakara io faritra nampitondra takaitra ny maro io.
Tsara ny firosoana amin'ny fivoarana toy izany, saingy toerana azo natao ho fitadiavam-bola tsara io faritra io raha haintsika no nitrandraka ny fako teo. Ao anatin'ny vanim-potoana hilazana, fa hanampiana ny tantsaha isika eto Madagasikara. Vaindohan-draharahan'ny fanjakana ankehitriny ny hamatsiana zezika sy masom-boly mora ny tantsaha. Inona no sakana tsy afahana mamadika ireo fako be ireo ho zezika ho an'ireo tantsaha ireo ? Fitaovana goavana no apetraka eo hamadika izany ho zezika. Sady hadio ny tanàna, no maro ny olona ahazo asa, ary ho mora ny vidin'ireny zezika ireny. Isan'ny tsara ny vokatra azo amin'ny fako. Hitombo avo telo heny ny vokatra eto. Ny fitaovana misy ary ny fako indray no tsy aharaka. Hevitra efa natsidika efa ela ireo, saingy nanidina toy ny volom-borona fotsiny.
Hivadika ny pejy. Ho lasa toerana ahatamana ny maro indray ity faritra midadasika ity. Ho azo antoka aloha hatreto, fa ho maro ny olona hiady toerana eny rehefa injay ka madio Andralanitra. Inona tokoa no sakana raha eny indray no atao toerana fialam-boly isaky ny sabotsy sy alahady ? Mbola amin'ny herintaona izany, fa ny tsara ho fantatry ny maro, dia volabe fa tsy notrandrahintsika ny teo amin'io faritra io. Aoka tsy ho gaga raha hisy vahiny hiditra antsehatra ny amin'izany eto.




Fandraharahana mampieritreritra
« Rehefa miova ny lalàna dia tsy maninona fa raha ireo lalàna manankery mandraka ankehitriny eo amin'ny lafiny fandraharahana sy varotra aloha dia tsy ahafahana manakana ny asa aman-draharahanay. Mpanamboatra menaka ny asanay ary efa hatrizay ampolo-taonany maro no nanaovanay io asa famokarana io. Ankehitriny dia tsy afaka manao izany intsony izahay satria nampahafantarina an-kolaka ireo mpamatsy voanjo anay fa tsy mila mamatsy anay mpanodina ny voanjo ho menaka intsony izy ireo. Ankoatra ny mpanjifa ny menaka vita tanana (presy gasy), dia sadaikatra sy sahirana koa ny mapamatsy voanjo anay. Izahay mpanao menaka izay miparitaka any Betafo, Antsirabe, Sambaina moa dia very asa ».
Ireo no taraina sy fanakianan'ny solotenan'ny mpamokatra menaka ny fomba sy fanenjehana ary angamba horohoro mihatra amin'ireo mpamokatra malagasy vory tao Andrefan'Ambohijanahary tamin'ny herinandro lasa iny. Teny Iavoloha anefa, ny filoha Ravalomanana dia tsy nitsahatra nanentana sy nanamafy fa ilaina ny firoboroboan'ny orinasa madinika sy salantsalany. Ary vonona izy sy ny fitondrapanjakana hanao izay hery rehetra hahamaro azy ireny. Ny mpandraharaha tanora moa dia nosinganiny manokana satria fantany izay tadiavin'izy ireo. Asa izay fihetsempony sy fahitany ireo mpandraharaha efa ela nihetezana toa an-dry André Ramaroson, ry Jeannot Le Quartz ary ry-E. Razafindravahy. Raha ho an'ny olon-tsotra aloha dia toa sahirana be ihany ny mpandraharaha malagasy ankoatra ny « groupe TIKO ». Ny fantatra aloha dia nirehareha ny filoha Ravalomanana fa nisy vokany tsara ny fananganany ny orinasa Fanampy ao Vohidiala (Ambatondrazaka). Tsy sahirana intsony ny mpamboly vary any amin'iny faritra iny satria misy an'i « Fanampy » manangona ny vokatra sy afaka mitahiry izany ara-dalàna ary mandio azy amin'ny fomba maoderina. Ny soratra an-gazety tamin'izany fotoana izany moa dia mampahatsiahy fa fitarainana maro no heno avy amin'iny faritra iny raha mikasika ny fanangonana tany avy amina orinasa lehibe iray vao nitsangana. Ankehitriny ny fampahalalam-baovao fehezin'ny fanjakana dia mihezaka mafy manamarina fa efa mihena ny vidim-bary eny an-tsena. Nandeha ny fanadihadina teny amin'ny tsenan'Anosibe ary namoaka fa nisy fihenana telopolo ariary (30Ar) ny vidim-bary amin'ny ankapobeny. Naseho daholo ny tetika rehetra nampiasana mba hahatongavana amin'ny fitomboan'ny voka-bary miteraka izany fihenam-bidin'ny vary izany. Tao ny fanitarana ny velaran'ny tanimbary atao voly avotra. Tao koa ny fanamboarana ny tambazotran'ny rano, ny fampiasana ny ambioka voafantina sy arifomba ary ny fampiasana ny voly vary maro anaka. Betsaka ny resaka nataon'ny filohampirenena momba ny fambolena sy ny mpamboly.
Manentana izy, mamporisika ary mino fa rahampitso dia hanondrana vary manerana an'i Afrika isika. Rehefa avy naato ny fanondranana vary sy tsako, dia manomboka izao dia misokatra indray ny fanondranana vary sy tsako.




Partis politiques
Le projet de réforme crée la polémique
Betiana Bruno, fervent opposant, a affirmé, hier, que le régime actuel veut faire cette réforme pour trois raisons. Il y a la tenue, à Madagascar, du sommet l'Union Africaine en 2009, puis du sommet de la Francophonie en 2010, et l'élection présidentielle en 2012.
Ce cadre connu du CRN déclare pour justifier son point de vue que récemment encore, les dirigeants ont affirmé ne pas avoir besoin des partis politiques, et voilà maintenant que ce même régime veut réformer la loi sur les partis politiques. En plus, Bruno Betiana pose des questions s'il s'agit d'une réforme sur les politiciens, ou une réforme sur les partis politiques. Le TIM, pour sa part, annonce qu'il roule pour la réforme. Quant à l'AREMA Matotra, il annonce être d'accord avec le régime. « Il faut bien définir les règles de jeux sur les partis politiques » dixit hier à la Radio Don Bosco, le secrétaire général de ce parti AREMA Matotra, Charles Andriamahefa. Et ce parti d'affirmer avoir attendu depuis longtemps cette réforme.




Matin'ny fahafinaretana
Nihetsika ny faritra maro omaly momba ny andro natokan'ny firenena mikambana hiadiana amin'ny SIDA. Tao anatin'ny lanonana maro isan-karazany ireny no nahatora-kovitra ny rehetra nandre ny tarehi-marika eran-tany amin'ny olona voan'izy io. Na lahy na vavy, eny fa na hatramin'ny zaza any ambohoka aza dia voan'io avokoa. 1tapitrisa no isan'ny olona voan'io sida io ankehitriny, ary ny efa matiny tsy lazaina intsony.
Raha hitodika eto Madagasikara kosa isika, dia voalaza fa olona 1 amin'ny 100 no voa tamin'ny fitiliana natao. Tany Antsohihy, no voalaza fa nisian'io tranga io tamin'ny olona 900 teo ho eo. Tsy asian-teny betsaka ny fiavian'io tranga iray io, fa ny azo ambara, na dia efa maro aza ny fambara ny fisian'io eto amintsika, dia tsy mahasakana ny hafa hanao ny filana ara-nofo amin'ny karazan'olona io, na ihany koa biby. Asa aleon'izy ireo tokoa angaha maty amin'ny fahafinaretana ? Mbola tsy ahitam-panafany ny fanefitry ny sida na dia maro aza ny olona milaza fa mahasitrana izany. Arakaraky ny fanentanana atao no mampiroboro ny filana ataon'ny hafa. Tsy ho gaga isika raha mitombo andro aman'alina ny tahan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. Ny fahantrana ve no mahatonga izany, sa ny gasy mihitsy no tia revirevy ? Isika rehetra no miara-mamaly izany.




Liste électorale
Ouverture de la révision annuelle
Entre le 1er décembre 2008 et le 15 avril 2009, la liste électorale à Madagascar fera l'objet d'une révision annuelle. La convocation des membres du Conseil National Électoral (CNE) vient d'être décrété lundi dernier, à l'issu d'un Conseil de gouvernement, tenu au palais d'Etat de Mahazoarivo dirigé par le Premier ministre Charles Rabemananjara. Les membres du CNE se réuniront ainsi en session ordinaire, pour superviser cette révision annuelle de la liste électorale à Madagascar. Avec ou sans élection, les membres du CNE doivent se réunir chaque année, dans une session ordinaire, du 1er décembre de l'année en cours, jusqu'au 15 avril de l'année suivante, pour superviser la révision annuelle de la liste électorale. Et à l'occasion des élections, le gouvernement décrète aussi une convocation des membres du CNE, cette fois-ci, pour une réunion en session extraordinaire, afin toujours de réviser la liste électorale. Cette révision consiste à y ajouter les personnes qui viennent d'avoir 18 ans. Il y a aussi le retranchement des personnes nouvellement décédées, ou ceux qui ont récemment changé de lieu de résidence. Ces travaux de révision s'effectuent en collaboration avec les Fokontany qui doivent disposer des pièces justificatives des rajouts et des retranchements.




Fianarantsoa : Fahasalamana
Olona 16 vita fandidina momba ny taolana
Tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nisy hetsika nataon'ny mpitsabo tao amin'ny Foibe Dioseza momba ny Fahasalamana (CDS) tao Ambatomena Fianarantsoa. Nifarimbona tamin'izany hetsika izany ireo mpandidy sy manampahaizana isan-tsokajiny avy any Italia sy avy ao Antsirabe. Olona 16 no natao fandidina momba ny taolana tao anatin'izany hetsika izany. Amin'ny tapaky ny volana desambra izao no tohiny, hizahana ny fivoatry ny fitsaboana natao tamin'ireo marary.
Efa tamin'ny taona 2005 no nitsangana ity CDS ity. Fikambanana maro no miara-miasa aminy, toa ny avy any Frantsa izay mitsabo ny fahasembanan'ny taolana (chirurgie orthopédique) sy ny avy eto an-toerana ihany koa. Amin'ny volana febroary 2009 dia fantatra fa hisy fitsaboana ny maso toa ny katarakta.




Fahasalamam-bahoaka ve no resaka ?
Misy pesta hoe eto Antananarivo ? Olona iray aloha no voamarina fa matin'ny pesta. Avy any ivelan'Antananarivo izy io no tonga teto nitady fitsaboana saingy maty. Tsy midika izany fa eto Antananarivo no misy pesta. Ny sasany moa dia avy hatrany dia mandrangaranga fa noho ireo fako miavosa no miteraka izany pesta izany ary nampitandrina ny Kaomina Antananarivo Renivohitra.
Nisy ihany ny resaka pesta teo alohaloha teo fa tany ivelan'Antananarivo. Nolavin'ny mpitondra ara-pahasalamana izany ahiahy izany ; tsy misy pesta izany tany amin'ireo toerana noahiahiana.
Izao anefa dia voamarina fa misy ny pesta any ivelan'Antananarivo ary ny fanaovana valandresaka ho an'ny mpanao gazety hampitandremana ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo dia toa milaza fa ny tsy fanalana ny fako no rangory fototry ny afo.
Moa ve mba takatr'izy ireny fa misy fiantraikany ratsy amin'ny fizahan-tany sy amin'ireo vahiny hantenaina ho avy aty amintsika ny fitatatatàna na fampitahorana fa misy « risque »-na pesta eto andrenivohitra noho ireo fako misy etsy sy eroa ?
Fa taiza moa ny tomponandraikitry ny fahasalamana hatrizay no izao vao mahita fa tandindomin-doza ny fahasalamam-bahoaka ? Taiza moa ny tomponandraikitry ny Faritra sy ny Prefet no izao vao mahita ireny fako miavosa ireny, ary indrindra ireny fianakaviana mivelona amin'ny fako ireny ? Efa hatrany amin'ny taona 1975-1976 no efa nifaninana sy niady ireny fanariana zaoridira ireny tamin'ny alika sy ny voalavo ny ampahany miha-betsaka amin'ny fianakaviana sahirana. Efa tamin'izany no nisy 4'Mis.
Raha tamin'izany fotoana izany dia mbola teny amin'ny fokontany sasantsasany no nifanotofan'ireny 4'Mis ireny ny toby fanarina fako napetraka teny amoron-dalana, amin'izao dia « misy tompony » daholo ireny fanariana zaoridira ireny. Ady tsy misy farany no miseho manodidina azy ireny raha misy 4'Mis hafa mianakendry misava ny fanariana zaoridira tsy miera na mangataka alalana avy amin'ireo « tompony ». Moa mba hitan'ny Prefet sy ny governemanta ve ireny zaza mitsindroka fako, misavasava ireny toerana fanariana fako ireny ?
Miresaka zon'olombelona fa indrindra zon'ny ankizy, sy zo fototra ny rehetra, fa moa ve misy hetsika maharitra efa nataon'ny tomponandraiki-panjakana hanaisotra ireny zaza sy fianakaviana mivelona sy mihinam-pako ireny amin'ny lavaka na hantsana misy azy ireny ? Hatramin'izao aloha ny tena misongadina dia i Mompera Pedro sy ny ASA etsy Andrainarivo ny eto an-drenivohitra. Izany hoe ireo relijiozy sy ny fikambanana na olon-tsotra miara-miasa aminy.
Raha hiverenana ny resaka pesta sy fanazavana teknika nataon'ny Prefet dia hita fa tena misy ambadika hafahafa mihitsy. Toa antsojay hoy ny sasany. Hay moa ity olona voalaza fa matin'ny pesta dia tsy mponina teto an-drenivohitra fa mpivahiny avy any ivelan'Antananarivo nanatona ireo havany mba hitady fitsaboana.




Tapitra ny lera
Nifarana indray ny 72 ora nanarian'ny kaominina ny fako tetsy Anosipatrana. Toerana izay natao hanariana fako vonjy maika io, nefa dia efa mivangongo eny sahady ny loto maro isan-karazany, ka mampitaraina ny maro.
Telo andro nandraisan'ny kaominina eto andrenivohitra fanampahan-kevitra hentitra hanadiovana ny tanàna, taorian'ny filazana fa nisy olona matin'ny pesta teny Ambohimanarina. Na dia nilaza aza ny teo anivon'ny BMH fa tsy pesta no nahafaty ilay olona fa aretin-kibo, dia ny hita aloha hatreto, dia misamaritaka ny ankamaroan'ny mponina amin'ity loto mameno tanàna ity. Ny isam-batan'olona efa samy manao izay ho afany amin'ny fanadiovana ny tandrify azy avy. Ny hetra ihany koa mandeha antsakany sy andavany izay alaina amin'ny vahoaka entina hanatsarana ny tanàna. Tapitra ny lera, ka tsy misy tokony hialana andraikitra intsony izao. Vitao ny adidy napetraky ny vahoaka aminareo mpitantana, fa aoka izay ny faniliana andraikitra. Tsy vahoaka hiaina ao anatin'ny loto no hitsena ny fetin'ny krismasy sy ny taona vaovao. Olona manana ny fahaizany avokoa ireo tafapetraka ao amin'ny kaominina eto andrenivohitra ireo, ka tsy hita intsony izay sakana amin'ny fampandrosoana. Sa hambara indray fa olona vao miana-draharaha ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ity kaominina ity ?




Loholona Moxe Ramandimbilahitra
Tsy mila fikaonandoham-pirenena
Efa ela no niandrasana ny sata handrafitra ny antoko politika eto Madagasikara. Tonga ity ny fotoana, hiarahan'ny antoko rehetra midinika. Efa nisy ny volavola sata nataon'ny sehatra tsy miankina niaraka tamin'ny mpamatsy vola teny Maibahoaka Ivato sy tetsy amin'ny Hilton tamin'izany. Tsy hita fiafarana anefa ireny. Ankehitriny hantenaina fa mbola azo atao tsara ny miainga amin'ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'izany, satria zava-dehibe ny tapaka nandritra ireo fivoriana roa ireo.
Isan'ny voadinika tamin'izany, ny famatsiam-bola ho an'ny antoko politika. Ny anjara sehatra ho an'ny antoko rehetra amin'ny haino aman-jerim-panjakana. Ny fanitsiana ny lalam-pifidianana. Ampahany ireo hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra, fa ny finiavan'ny rehetra midinika no zava-dehibe. Tsy ekena kosa hoy izy ny finiavan'ny sasany hiroso amin'ny fikaonandoham-pirenena. Sata hifehy ny antoko politika no atao, fa tsy fikaonandoham-pirenena. Mandany andro izany hoy ihany ity loholona avy ao amin'ny TEZA ity.




Mihetsika ny mpanohitra
Rahampitso no hikaondoha etsy amin'ny foiben'ny AKFM Andravoahangy ambony ny mpanohitra rehetra. Manoloana ny firosoan'ny fanjakana hanao ilay fivoriana miaraka amin'ny antoko rehetra afaka andro vitsivitsy no anton'io. Antoko manodidina ny 20 no handray anjara amin'izany. Voalaza fa manana ny fijeriny momba ity fivoriana ity ny antoko ivelan'ny fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Na ny CONECS, na ny SEFAFI, na ny FFKM na ny KMF/CNOE dia nana-kambara foana raha ny fiainana ara-politika sy toekarena teto amintsika.
Noho ireo antony ireo no tokony handraisan'ny FFKM sy ny KMF/CNOE anjara. Ny Sefafi ihany koa hoy ny hafa dia manana anjara toerana lehibe. Io rahampitso io no ahitantsika izay hevitra avoakan'ny mpanohitra, fa ny azo antoka dia hitovy fomba fijery izy rehetra, raha tsy hoe misy indray ny volo manohariana.




AKFM
20 partis réunis samedi
Environ 20 partis politiques ont répondu à l'appel lancé par l'AKFM, samedi dernier, pour discuter de la situation politique actuelle à Madagascar, surtout le projet du président de la République, de réforme de la loi sur les partis politiques. C'était une occasion pour faire des échanges entre les partis de l'opposition. Ils ont pu être d'accord sur l'inopportunité d'aller à Iavoloha pour assister à une quelconque réunion avec le régime actuel. Les partis réunis samedi ont dénoncé le procédé utilisé par le régime actuel. Le manque de concertation avec tous les partis politiques avant l'annonce de la réformée a été une énorme erreur selon les représentants de parti réunis samedi dernier à Andravoangy Ambony. Mais ces partis ont oublié de mettre en évidence le problème de crédibilité des membres de l'opposition.




Hery Rafalimanana
Tsy lavo fa potraka
Herintaona izay no naharesy ahy teo amin'ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran'ingahy Hery Rafalimanana tao amin'ny Aceem Radio ny faran'ny herinandro teo. Nilaza izy tamin'izany fa adinon'ny TIM tanteraka ny tenany taorian'iny fifidianana ho Ben'ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon'ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin'ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben'ny tanàna. Manana andraikitra lehibe amin'ny tsy nahalany ahy izahay rehetra. Politika no nahalavo ahy, ary tsy maintsy politika no hiarenako.
" Tsy lavo aho fa potraka ", hoy ity filohan'ny delegasiona manokana teto amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha ity. Toa manome tsiny avy hatrany ny antoko TIM ny tenany tamin'ny fitsabahana be loatra nandritra ny fifidianana izay ho Ben'ny tanàna farany teo ireny. Tsy TIM aho, fa mpiasan'ny MAGRO hoy ihany izy.
Hanangana fikambanana aho mba hanampiako ny sahirana. Hirona any amin'ny sehatry ny asa soa, ary heverina fa hanana andraikitra goavana momba ity sosialy ity aho rehefa ho tonga ny fotoana ahazoako toerana indray. Momba ny zava-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo, dia nambarany, fa aleo hiasa ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Manana ny politika nandreseny lahatra ny vahoaka teto andrenivohitra izy, ka miandry izany ny vahoaka. Vonona ny hanome hevitra ny TGV koa ny lehilahy raha ilaina, fa tsy marisika ny hiditra hiara-mitantanana ao raha toa ka antsoin'i Andry Rajoelina hiara-hiasa aminy.
Raha iny fanambarana nataon'ingahy Hery Rafalimanana iny no atao indray mijery, dia tapaka hatreo ny fiarahany miasa amin'ny fitondrana. Mihevitra ny hanomana ny ho avy politikany izy manomboka izao. Hanao ahoana anefa no mety ho fitiavan'ny vahoaka azy amin'izay ?




Ravalo no olana
Vaky ny nafenina teo amin'ny mpanohitra. Ravalo no olanay hoy ingahy Daniel Ramaromisa ny asabotsy teo tetsy Andravoahangy ambony. Nandritra ilay fivoriana niantsoan'ny antoko AKFM ireo antoko politika maro teto amin'ny nosy no nivoahan'io resaka io.
Tsy marisika ny hiditra amin'ilay fiantsoan'ny filoham-pirenena hijerena ny lalàna hifehy ny antoko politika ry zareo mpanohitra. Na dia io aza no fitakian'ny antoko maro nandritra ny taona maro, dia notsipahina indray ny fandinihana azy, rehefa tonga tokoa ny fotoana. Hanangana komity kely hanao tatitra any amin'ny vahoaka no tanjon'ny mpanohitra sasany. Ireo indray no hakana hevitra amin'ny endrika izay heverina ny hanohizana ny dinika ? Tsy fantatra anefa hatreto, na vahoaka izy io na iza, fa ny lamin'asa atolotr'i Marc Ravalomanana mihitsy no tsy zakan'ny vavonin'ny mpanohitra. Tsy ho gaga isika, raha maro no maniry ny hiverenan'ny fampianarana ho teny gasy no enti-mampianatra, nefa raha tsy nankasitrahan'ny sasany indray io rehefa notanterahin'ity fitondrana ity. Ny loabary an-dasy tsy natrehana, na dia nangitakitaka te-hanatrika izany ihany aza ny hafa. Io indray ny sata hifehy ny antoko politika, izay nolavin'ireto ivelan'ny fitondrana ireto. Fijerena olona no masaka eto, fa tsy fitiava-tanindrazana. Tsy izao ve no fotoana tokony hanambarana ny hery rehetra afahana mamoaka ny laminasa politika rehetra mba ho voarakitra ao anatin'izay lalàna hivoaka eo ? Farafaharatsiny mba ho raiketin'ny tantara na dia ho sanatria aza ny hevitry ny mpitondra no tsy maintsy ho tanterahina ? Tsy ho gaga isika raha mbola izao no toerana misy ny firenena, ary tsy atao mahataitra ihany koa ny olona raha hilaza fa leo politika izy ireo.




Lalàna hifehy ny antoko politika
« Aza ampiesonina ny vahoaka » hoy i Tabera
Tsy maika io sata hifehy ny antoko politika io, raha tsy miroso amin'ny fampihavanam-pirenena isika. Ny antony, dia ny filoha mpitarika antoko maro no migadra any am-ponja amin'izao fotoana izao. Lalàna inona no ho vita amin'izany ? Ny CRN dia efa nanambara fa resaka fandaniana andro fotsiny io. Misy antony manery an-dRavalomanana tsy maintsy hanao io hoy ihany ingahy Tabera Andriamanantsoa izay isan'ny mpikambana mavitrika ao amin'ity CRN tarihan'i Profesora Zafy Albert ity. Hiezaka handresy lahatra ny antoko politika eto izy ireo, mba hiara-hitaky ny fampihavanam-pirenena aloha, vao mandinika zavatra hafa. Ny ratra navelan'ny raharaha 2002 tsy sitrana koa sata hifehy ny resaka politika no maika amin'ny hafa. " Aza ampiesonina ny vahoaka, fa tsy bado akory izy ireo ", hoy ity mpanao politika iray ity ny asabotsy teo.




Tokony...
Tokony ihena ny fotoana lany amin'ny fikarakarana ny antotan-taratasy any amin'ny sampandraharaha-panjakana.
Tokony ihena ny isan'ny taratasy takian'ny sampandraharaha-panjakana. Tokony hisy fandraisana tsisy tombo sy ala any amin'ireny sampandraharaha-panjakana ireny.
Tokony tsy hisy intsony ny fampivezivezena ny mpanjifa ny raharaha-panjakana.
Tokony tsy hisy kolikoly intsony any amin'ny birao-panjakana rehetra any. Tokony ho fantatry ny olona mialoha hoe aiza no alehany raha miditra amin'ny sampandraharaha-panjakana iray izy.
Tokony ho fantatry ny mpanjifa koa ny fe-potoana sy ny vola tokony alohany rehefa ha nao raharaha iray izy.
Tokony hihena ny filaharana any amin'ireny birao-panjakana ireny. Tokony hihena noho izany ny fahasahiranan'ny vahoaka manatona ireny sampandraharaha-panjakana ireny.
Efa natomboka an-taonany maro ireo fihavaozana ireo any amin'ny sampandraharaha mikasika ny Fitsarana, mikasika ny Fitantanambola-panjakana ary indirndra indrindra any amin'ny sampandraharahan'ny Fananantany.
Isan'ny fihavaozana momba ny Fananantany ny fananganana Birao ifotony any amin'ny Kaomina izay manome ny " Kara-tany ". Raha toa tsy nanana ny maha-izy azy loatra ny " Kara-tany " tany am-boalohany, ankehitriny kosa dia efa manana izany " valeur juridique " (mitovy lenta amin'ny titra eo anatrehan'ny fitsarana) izany izy io.
Raha izany no izy, dia tokony tsy hisy intsony ny hampitaraina ireo tena mpamokatra any ambanivohitra any. Tokony tsy hisy intsony ny fitarainana mikasika ny tany volen'ny mpamokatra any ambanivohitra any. Tokony tsy hisy intsony ny olana eo amin'ny tany nolovain'ny samy taranaka. Tokony tsy hisy intsony ny olana tahaka ny hoe fangalarana tany.
Ny zava-niseho tany Morombe notaterin'ny filazam-baovao maro tato ho ato anefa dia mifanohitra amin'izany.
Ny solombavambahoaka voafidy tany Morombe moa dia nanamarina fa misedra olana lehibe ny tantsaha any amin'ny fokontany Ambalamoa, distrika Ambahikily ao Morombe ao. Amin'ny ambangovangony dia noho ny tandrevaka tany amin'ny sampandraharan'ny Fananantany tany dia voaendaka ireo nanazary, namboly sy namokatra ary nivelona teo amin'ny tany hatrizay. Voatery hiala teo amin'ny taniny izy ireo satria tonga ny tompon'ny tany an-taratasy avy any amin'ny tanàn-dehibe miaraka amin'ny " titra ".
Raha izany no izy, inona no tokony atao ? Moa ve tokony hafainganina sy hafohezina hatrany ny fombafomba mba hahazoan'ny mpanambola manatanteraka ny vinavinany ? Moa ve tsy tokony haafainganina kokoa noho izao ny fanapariahana ny fanabeazana ireo olon-behibe any ambanivohitra any ? Satria azo antoka fa ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, ny tsy fanarahana vaovao no rangory fototry ny afo. Fa ny tena marina koa dia tokony tsy hisy intsony tokoa ny kolikoly any amin'ireny sampandraharaha-panjakana ireny.
Amin'ny lafiny maro dia tena rariny koa raha niteny ny filoha Ravalomanana fa tokony hanamboarana trano ny mpiasa-panjakana any rehetra any ; ary trano manara-penitra tsara. Tokony haverina indray ny fanovan-toerana azy ireny isaky ny telo na dimy taona mba tsy hisian'ny fifandraisana diso tafahoatra amin'ny mpanjifa ny raharaha-panjakana.
Marina ireo na ho an'ny any amin'ny Faritra fa indrindra any amin'ny sampandraharaha-panjakana eto an-drenivohitra na ministera.




Ranon'i Mananara
Amidy any Arabia
Fantatra izao fa ny orinasa vahiny "Aquamar" no mikasa hanondrana ny rano Malagasy any amin'ny Golfe Persique. Hotovoziny avy ao Mananara Avaratra izany rano izany. Miahiahy ihany anefa ny loholon'ny faritr'i Sofia iny, sao dia tsy mahazo tombontsoa amin'izany fanondranana rano izany iny faritra avaratry Mahajanga iny. Avy ao amin'ny distrikan'i Mandritsara, ao anatin'ny ala antsoina hoe Antsitsika, no loharano ipoiran'izany rano haondran'ny orinasa Aquamar izany. Ny minisitry ny Rano kosa anefa dia nanamarika sady nanome toky fa manana kitapom-bolam-pirenena ny ministera mba hitantanana ny vola azo avy amin'ny fifandraharahana toy izao ataon'i Madagasikara sy ny orinasa Aquamar izao.
Rano fisotro madio
"Marina fa io orinasa io dia manampy mivantana ny mponin'i Mananara Avaratra amin'ny fanorenana ny hopitaly sy ny sekoly amin'izao fotoana izao, hoy ny minisitra, fa i Mandritsara kosa tsy hatao ambanin-javatra fa homena ny anjarany". Torak'izany ihany koa ny faritra sasany, satria ny vola azo avy amin'ny fiaraha-miasa toy itony dia entina indrindra hampivelarana ireo tetikasa hafa manerana ny Nosy. Tsy tokony adinoina anefa fa amin'ny maha nosy an'i Madagasikara dia tsy manankarena rano loatra izy. Noho izany dia tokony ezahana aloha ny hampisy ny lava-drano amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara mba hahafahan'ny isan-tokantrano manana rano fisotro madio, izay vao mba manondrana. Tsy mety ny tia zarazara na koa maim-bola fotsiny nefa ny vahoaka tompon-tany mangetaheta fatratra.




Fanovana rafi-pampianarana
Mbola maro no tsy resy lahatra
Anisan'ny zavatra iray mampisavororvoro ny saim-bahoaka malagasy ny fametrahana ny fanavaozam-pampianarana. Maro ny mametra-panontaniana momba izany. Ny tsy fandalinana na ny tsy fahafantarana izay mety tena ho antony ifotoran'ity fanavaozana ity no mahatonga izany fisalasalana izany. Tsy vitsy ireo manakiana be fahatany fotsiny, mihevitra fa mitovy tamin'ny fanagasiana izay nampiharina tamin'ny taona 1972 indray no averina ankehitriny. Diso tanteraka anefa izany fiheverana izany satria tsy ny fampianarana akory no gasiana fa ny tenin-dreny kosa no atao fitaovana entina hampitana ny fahalalàna eny anivon'ny sekoly.
Araka ny fikarohana iraisam-pirenena, dia voambara fa ny tenin'ny reny no teny mora sady mandaitra indrindra ampiasaina ho fampitana ny fampianarana any an-tsekoly. Eran-tany dia sahala amin'izany avokoa. Mba diniho kely kosa anie raha ny Frantsay no hiteny malagasy rehefa hampita fahalalana, na ny Sinoa hampiasa teny alemana, na koa ny Arabo hiteny bantou rehefa any an-tsekoly ? Ireo firenena voalaza ireo dia miezaka hatrany ny hampiasa ny teniny rehefa hampita fahalalana na dia efa voasokajy ho ao anatin'ireo firenena mandroso aza izy ireo. Izany hoe mivelatra amin'izao tontolo izao amin'ny lafim-pampianarana maro. Raha ny an'ny Madagasikara kosa dia mbola ny 96%n'ny ankizy ihany no miditra an-tsekoly. Midika izany fa mbola lavitra ny ezaka tokony hatao. Tafiditra ao anatin'ny tanjon'ny taona arivo fahatelo anefa ny hanatrarana ny 100% amin'ny taona 2015.




Tontolon'ny asam-panjakana
Miala any ny rivotry ny fanadiovana
Tokony hampiditra fonksionera vaovao ny fanjakana. Vinavinaina ho ny antsasaky ny foksionera amin'izao fotoana izao no hisotro ronono afaka 4 taona. Efa hanomboka ny fanadihadiana hataon'ny minisiteran'ny Asam-panjakana mba hahafahana mandanjalanja ny isan'ny fonksionera.
Antony maro no mampihisatra ny fanaovan-draharaha any amin'ny biraom-panjakana, fa ny lehibe indrindra amin'ireo dia ny havesatry ny dingana tsy maintsy lalovana amin'ny fikarakarana taratasy sy ny kalitaon'ny fomba fiasa. Efa miezaka ihany ny fitondram-panjakana mametraka ny fomba fitantanana mahomby, izany hoe haingana sy tsy mitarazoka. Efa misy ahitam-bokatra ireo departemanta sasany. Misy minisitera manome vahana kokoa ny fandraisana ireo tanora avy amin'ireo oniversitem-panjakana na tsy miankina, saingy mbola vitsy izany. Nahazo vahana tamin'ny fitondram-panjakana teo aloha ny kitranoan-trano. Azo antoka fa hahazo asa ny fianakaviana sy ny sakaiza. Tamin'izany fotoana izany dia ampidirina aloha ny mpiasa, fa manaraka ho azy ny asa hampanaovina azy, na tsy misy indraindray. Fanamby napetraky ny minisitry ny Asam-panjakana amin'izao fotoana ny hamehezana ny isan'ny mpiasam-panjakana. Mbola misy tavela ny "mpiasa matoatoa" ka tsy maintsy esorina.
Miomàna izay tsy ara-dalàna !
Nanomboka omaly alatsinainy 8 desambra, hifanarana ny 23 desambra, ny fanadihadiana ato anivon'ny faritra Analamanga. Hisaina ireo foksionera, ka izay tsy izy miala. Santatra ny ao amin'ny faritra Analamanga fa mbola ho avy ny anjaran'ny faritra hafa. Solosaina no ampiasain'ny minisitera amin'ny fanisana fonksionera. "Logiciel" manokana, hanadiovana ny tontolon'ny asam-panjakana. Samy hameno taratasy hamaritra ny momba azy avokoa ireo mpiasam-panjakana, ka hiharihary eo ireo mpiasam-panjakana mandray karama nefa tsy manana asa.




Làlan-dririnina
Tafapetraka ny valabe ao Ihorombe. Omby amin'arivony no hitoby ao. Ho fiarovana ny omby amin'ny hafitsoky ny dahalo no tena tanjon'ny fanjakana tamin'izao hetsika izao, ka roa taona monja no faharetan'ny asa, dia vita. Velaran-tany mahatratra 5000 hekitara no misy ity valabe ity. Voalaza fa ho azo antoka ny fahasalaman'ny omby, satria hisy mpitsabo hanara-maso izany ao.
Ho fantatra ihany koa ny fiavian'ny omby rehetra, ary halalaka ny fanondranana omby rehefa tsy hita taratra firy intsony izany hatramin'ny taona 1997. Raha ny hita anefa, dia maro amin'ny mponina manodidina iny faritra iny no tsy mazoto hametraka ny ombiny ao. Ny antony, dia tsy tafapaka any amin'izy ireo ny tombontsoa ho azo amin'ity valabe ity. Zatra ny làlan-dririnina ny sasany, ka aleony ihany, mandefa ny ombiny eny an-kijàna. Harena ny omby, ary kolontsaina, ka mahasarotiny ny mponina any amin'iny faritra iny. Hiteraka fizarazaran-kevitra eo amin'ny samy mpiompy ny toy izao, ka raha tsy misy haingana ny fanazavan-kevitra maika, dia mbola ny omaly tsy miova ihany no hanjaka any an-toerana. Tsara ny manamarika fa hametrahana sehatra toy izao avokoa ny Vakinankaratra, Belo sur Tsiribihina, Menabe, sy SAVA.




Satan'ny antoko politika
Tsy manaiky ho gisitra ny AVI
Vonona ny tolo-kevitra amin'ny sata hifehy ny antoko politika ho aroson'ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). Efa ela no niandrasana izany ka handray anjara amin'ny ady hevitra kasain'ny fitondrana ho atao ity antoko tarihan'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity.
Hatramin'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena dia tsy mbola nisy fitondrana nana-kevitra tena hametraka ny antoko mpanohitra amin'ny toerana hisy azy. Tsy nahita sehatra malalaka sy ara-pomba demokratika nahafahana nitondra vahaolana ho fampandrosoana marina ho an'ny firenena. Ny mifanohitra amin'izany foana no nataon'ny fitondrana nifandimby teto.
"Misabaka"
"Ny taona 2002 izahay AVI, hoy ingahy Laurent Ramaroson no efa niomana tamin'ity sata hifehy ny antoko politika indrindra fa ny aty amin'ny fanoherana.
Takian'ity antoko ity ny olona ho filoham-pirenena mba olona nivoaka avy amin'ny antoko politika. Ireo olom-boafidy ihany koa dia tokony hanana zo feno ny antoko niaviany na io ben'ny tanàna, na ihany koa depiote ny fanalàna azy amin'ny andraikiny raha tsy mifanaraka amin'ny fitsipiky ny antoko niaviny ny ataony.
Mahatsapa ity antoko nihaona tamin'ny mpanao gazety omaly ity, fa tao anatin'ny 48 taona, dia tsy nanana zo aman-kasina ny antoko tsy ao anaty fitondrana. Nanjakazakan'ny antoko politika vao noforonin'izay olona nahazo fitondrana ny sehatra rehetra. Mazava ho azy fa ny olon'io antoko vao nahazo fahefana io no nibahana ny nanjakazaka. Voageja ny antoko hafa, ka nisy fiantrakainy teo amin'ny lafiny maro. Isan'io ny tany amin'ny toeram-piasana, ka nafindra toerana ireo izay tsy mitovy fomba fijery, ary notapahana ny karama ho an'ny sasany. Ampahany ihany ireo voatanisa ireo, ary izay no namolavolana ity sata hifehy ny antoko politika ity. Tsy mpanohitra na mpanohana izahay, fa misabaka hoy ny sekretera jeneralin'ity antoko, satria ny Malagasy tsy tia zavatra henjana, mety hiteraka savorovoro.




Fihaonamben'ny mpanao politika
Handray anjara ny hery rehetra
Ny 17 desambra izao no hanaovana ilay fihaonamben'ny antoko politika rehetra eto Madagasikara. Fanambaran'ny filoha Ravalomanana tany Nosy -be io omaly. Handray anjara amin'io avokoa ny antoko rehetra. Nantsoina ihany koa ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Fiangonana, satria raharaham-pirenena no atao. Izay tsy afaka ny hanatrika izany, dia azo atao an-tsoratra ny soso-kevitra ka apetraka eny anivoan'ny Mediatiora izany.
"Sahia mifanatrika ka asakasakareo tsy handray anjara amin'io", hoy ny filoham-pirenena. "Aoka izay ny resabe an-gazety fa andeha hiresaka. Maika ny fampandrosoana sy fandriam-pahalemanana, ary ny hevitry ny maro no mahataka ny lavitra". Manantena ny filoha fa handray anjara avokoa ireo mbola misalasala tsy hanatrika ny ady hevitra amin'ity indray mitoraka ity. Ny sabotsy teo, dia nivory tetsy amin'ny foiben'ny antoko AKFM ny antoko mahatratra 18 avy amin'ny mpanohitra. Tanjon'izy ireo ny hanambarana ny hevitra amin'ity antso ny fitondrana ity. Malailay fonosana avokoa ny ankamaroan'ny mpandray anjara. Ny tao amin'ny CRN dia nilaza nilaza ingahy Taber fa : "ny fampihavanam-pirenena aloha no maika. Ahoana no hamoahana hevitra amin'io fihaonana io, nefa ny mpitarika antoko maro any am-ponja" ? Hatreto, dia mbola samy mikaon-doha any amin'ny misy azy avokoa ny antoko sy fikambanana rehetra, ka ho hita eo ny tohiny.




Masera mpisoloky
« I Jesoa no naniraka ahy »
Teo ampanaovana ny asa ratsiny ilay masera mpisoloky no tratra. Vola mitentina Ar 100 tapitrisa no notakian'ity vehivavy milaza fa mpitsabo mpanao asa fanavotana ity, tamin'ireo olona izay nandalovany. Nandritra ny famotorana moa dia nilaza izy fa « i Jesoa no nampiditra azy tao amin'ny fianakaviamben'ny masera » Tao amin'ny fikambanan-dry Masera Franciscaine moa izy teo aloha. Ny Zanak'Andriamanitra ihany koa no mbola nolazainy ho « nanala azy tao amin'ny fikambanana ka naniraka azy hanao asa soa ». Tsy taitra akory izy raha nanazava ny toe-javatra nisamborana azy satria tam-pitsikiana lava foana izy no mitantara ny zavatra rehetra izay nitorian'olona azy.
Dodon'i Jesoa
Misy tokoa ny olona izay efa tratrany sy nahazoany vola be tamin'izao fisolokiana izay nataony izao. Nisy fotoana izy nametraka fitokisana tamin'olona mivady fa hoe « mahavita mampiova ny fiainan'izy ireo ». Nanome vola be azy ireto mpivady ireto. Niverina indray izy fa hoe haka ny ambim-bola sisa tavela, kanjo nitaraina ireto farany fa tsy mbola misy fiovana ny fiainan'izy ireo. Tamin'izay moa nilaza indray ilay masera fa « tsy tafandry mandry mihitsy izy fa dodon'i Jesoa foana ka mila mandeha haka ilay vola ambiny ». Tsy nety nanome intsony izy anefa mivady, ka teo izy no nanozina fa « raha tsy manome ianareo dia ho simba jiaby ny entanareo ary harary ny zanakareo ». Tsy tapitapitr'izay àry dia simba tokoa ny vata fampangatsiahana iray tao an-tranon ary ny zanak'izy mivady izay nihinana manga teo an-tokotany kenda tampoka.
Afaka
Ny Pretra iray tao amin'ny paroasin'Androva moa no nanitsoka an'i Masera Nivo, andro vitsy lasa izay. Avy hatrany dia naely manerana ny fiangonanan katôlika tao Mahajanga ny momba azy. Avy eo, ny Evekan'i Mahajanga sy ny vikera mihitsy no nanao fanambarana ho ren-tany, ren-danitra momba izao raharaha izao. Noafahan'ny fitsarana anefa i Masera Nivo, taty aoriana. Ka vaky vava ny mpino sy ny mpitondra fivavahana ny momba izany. Dia mbola i Jesoa koa ve no tao ambadiky ny didim-pitsarana ?




Izay manan-tsofina aoka ihaino
Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tonga ny fotoana afahana mihaino ireo tsy mitovy hevitra rehetra eto amin'ny firenena. Tsapa amin'ny antso avo ataon'ny filoham-pirenena momba ny handinihana haingana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara.
Io tokoa angaha ny làlana ahafahana miroso any amin'ny fampandrosoana, satria raha tsy tafapetraka ny fitoniana politika, dia ho zava-poana avokoa ny ezaka rehetra izay ho atao. Raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, dia efa maro no nilaza ny tokony hirosoana amin'io. Isan'ny fangatahan'ny maro ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Tsy mbola tanteraka io hatramin'izao. Taona 2008, maika ny hirosoana amin'io, satria antoky ny filaminana hoy Ravalomanana. Tsy rototra intsony anefa ny ankamaroan'ny mpanohitra sy ny fiaraha-monim-pirenena nitaky izany tany aloha. Inona no ambadiky izao sangodim-panina politika izao hoy ny mpitazana ? Mahatsapa ve ny mpitondra, fa isan'ny antony iray tsy nahatafatsangana ny rindrina sy ny tafo tao anatin'ny dimy taona voalohany ny tsy firosoana tamin'io ? Raha ny hita, dia mivory tsy tapaka izay mahatsapa fa manana andraikitra politika eo amintsika. Ny fanapahan-kevitra ho raisin'izy ireo ho hita eo ihany. Ny alarobia 17 desambra ity manatona ihany, ka sao ela fidona vao hilaozan'ny sasany. Izay manan-tsofina aoka ihaino, fa aza minia manome lamosina, satria ho voarakitra ho tantara ny zava-drehetra.




Mahantra ny tantsaha
Miditra an-tsehatra ny mpanam-bola
Ny 80% eto Madagasikara dia hambara ho tantsaha. Ny 75% ny Malagasy ihany koa anefa, dia hambara fa miaina ao anatin'ny fahantrana. Midika izany fa mahantra ireo tena mivelona ao anatin'ny fambolena, dia ireo Malagasy tena miaina any ambanivolo rehetra any.
Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Eo ny olana eo amin'ny fananan-tany. Sahirana ireo tantsaha vao tena mahazo tany afaka ho volena. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitr'asa afahan'ny tantsaha tena mivelona amin'ity fambolena ity. Ny tsy fahampian'ny toha-drano amin'ny faritra maro. Ny zezika izay hiarahana mahita fa lafo ny vidiny. Na dia miroso amin'ny fanamorana ity farany aza ny fanjakana, dia mbola tsy tafa-paka any amin'ny ankamaroan'ny tantsaha izany. Ireo mivondrona ao anaty kaoperativa no tena mahita tombony betsaka amin'io.
Miakatra antanàn-dehibe ny tantsaha
Tsapa fa tsy mahavelona ny mponina any ambanivolo intsony ny tany izay ananany. Raha tanimbary afahana manao ketsa valo vavy no misy, dia tsy mahavelona fianakaviana iray intsony io, na dia miroso amin'ny ambara ho manaram-penitra aza. Manomboka mitady làlana aty an-drenivohitra ny tantsaha. Miasa amin'ny orinasa afaka haba, na ihany koa manao varotra madinika etsy Analakely sy Andravoahangy na Isotry sy Behoririka ry zareo. Misy ihany koa no manao asa an-trano ny ankamaroany. Tsy azo adika ho mandao ny tany nahabe azy kosa anefa izy rehetra fa ao ny manabe voa ny tanindrazany. Hatreto, dia ny 54% ny mponina ambanivolo no miakatra antanàn-dehibe manao iretsy voalaza etsy ambony ireo. Tsy mahavelona ny fambolena hoy izy ireo, ka aleo mitady izay azo avadika ho vola haingana, satria sarotra ny fiainana. Ny mpanam-bola amin'ny tanàn-dehibe kosa, dia manomboka mitodika any ambanivohitra amin'izao fotoana izao. Miroso amin'ny fambolena izy ireo, ka ireny tany midadasika ireny no hifantohan'ny asa. Manana ny vola azo ampiasaina izy ireny, ka mora ho azy no manao toha-drano, mampiasa trakitera sy ny masomboly voafantina, ary ny zezika lafo vidy.
Voly fanondrana
Mazana dia ireo voly azo avadika ho vola vahiny no hifantohan'izay asa izay. Ny vanila sy ny voly ahazoana menaka manitra no hita ho ataon'izy ireny. Tsy latsa-danja amin'io ny voly katsaka, satria any Etazonia, dia efa miroso amin'ny fikaroana ny fanodinana ho solika ny katsaka ry zareo. Miditra an-tsehatra ihany koa ny orinasa vahiny, izay manofa ireny tany ireny, ka fambolena goavana no hifantohan'ny asa. Ao Tsiroanomandidy, dia efa miditra amin'ity fambolena goavana ity ny mpanam-bola eto an-toerana. Ny tena tantsaha tompon-tany kosa, dia mbola ny tany nolovaina tamin'ny andron'i Dadabe sy Bebe ihany no mbola volena, ka io no atao izay ahavelona fianakaviana.
Fepetra noraisin'ny fanjakana ny hanampiana ny tantsaha amin'ny fomba rehetra. Namoraina ny fahazoana ny tany. Nentanina ny vahoaka hiverina any amin'ny fambolena. Hatreto anefa, dia toa tsy mahatamana ny olona firy intsony izany, satria ny filàna rehetra, dia any antanàn-dehibe avokoa no ahitana izany. Ny jiro, ny serasera, fialam-boly, fitiavana sy ny rendrarendra rehetra, dia saika hita aty an-drenivohitra avokoa. Zary toerana fakana rivotra sisa ny any ambanivohitra. Tsy ho gaga angamba isika raha manomboka tery ny renivohitra no ireo antony maro samy hafa ireo.




Polisy tratra nanotra
Lany daty ny tsy maty manota
Polisy iray, efa daozidaozy, no tonga tao amin'ny trano fivahiniana sy fisakafoanana iray eo ampitan'ny lapan'ny tanàna ka nilaza fa hanao "contrôle". Tsy niala moa ireo tao fa dia navelany tsara ilay polisy hanao ny asany. Rehefa vita ny nataony dia mbola tsy nandeha ranamana fa niandriandry teo, ary notoloran'ny tompon-trano "coca". Avy nisotro izy dia nila vaniny indray ary nilaza fa ny kaomisera santraly no naniraka azy haka vola amin'ireto tompon-trano. Gaga sy talanjona ny tompon-trano ary vetivety dia nitangorona ny olona. Avy tao ny polisy hafa nijery ny zava-nisy, ary nisambotra ity namany nanao fihetsika hafahafa. Nomena ny kaomisaria santraly moa izy satria ireo no voantonontonona tao, ka tsy niandry fa avy hatrany dia nandray fepetra ny lehibeny. Heno fa natao "garde à vue" nandritra ny 48 ora izy io tao amin'ny tranomaizin'ny polisy ihany, ary nanaovana fangataham-panazavana. Hisy ny fepetra famaizana horaisina, hoy ihany ny lehibeny.
Saonjo iray lohasaha marina ka tsy ilaozan'izay hamarara. Efa nisy mantsy ny ezaka natao tatoato hanatsarana ny asa eo anivon'ny polisim-pirenena. Anatin'izany ny nanoloana ireo polisy miahy ny fifamoivoizana. Fa ny loza dia filao mantsina an-dakana ka manamaimbo ny namany, ity polisy nanotra ity. Namerina indray ny ahiahy eo anivon'ny mponina amin'ny asa sahanin'ny polisy saingy ny fahitana fa nandray andraikitra sy nanafay ny nanao ny tsy mety ireo lehibeny dia efa milaza sahady fa efa manomboka lany daty ny "tsy maty manota".




Toliara
Misandoka ho mpandraharaha
Tsy kely lalana ny ratsy. Mahita hevitra hatrany ny sokajin'olona sasany entina hamitahana ny mpiara-monina aminy mba hahazoam-bola. Tsy misoratra eny amin'ny endrika tokoa ny maha olon-dratsy. Tovolahy iray, 25 taona, no malaza amin'ny fisolokiana amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny.
Halatra avo lenta no ataon'i Aina (io no anarana entiny). Tovolahy fotsy fihodirana, kelikely ary mahay mandresy lahatra amin'ny famitahana olona. Ao an-tanànan'i Toliara ao izy no manao ny asa ratsiny amin'izao fotoana izao, ary efa maro ny olona tratrany. Mpamily fiara karetsaka ao Toliara no tratrany farany, ary efa nametraka fitarainana any amin'ny mpitandro ny filaminana. Nilaza izy fa avy any Antananarivo ary hamoaka entana ao amin'ny fadin-tseranana no anton-diany ao Toliara. Nofainy nandritra ny alina ilay taxi, ary mbola "nampireveny" toaka niaraka amin'ny sakafo be ilay mpamily. Zoma mahafinaritra rahateo ny andro. Nifankahazo ny resaka, ary tsy nanana ahiahy na dia kely tamin'ilay tovolahy aza ilay mpitondra taxi. Niangavy izy ny hampiantranoan'ilay mpitondra taxi azy satria tsy mbola nivoaka ny entany ao amin'ny fadin-tseranana, ary lany ny vola teo am-pelantanany. Nitonona ho mpanao bizina mantsy i Aina, ka nampanantena zavatra maro ilay mpamily fiara karetsaka. Andro maromaro no niantranoany tao aminy, niantohana sakafo, nosasan-damba, ary afaka nampiasa tamin'ny fotoana rehetra ilay taxi. Tao anatin'ny tampoka anefa no nanjavonan'ilay mpisoloky, rehefa azony ireo vola nindraminy tamin'ireo mpampiantrano azy.
Nanjavona hatramin'izao
Sodokan'ny fandresen-dahatra izy mivady mpampiantrano ka nahavatra naka vola tao amin'ny mpifanila vodirindrina aminy omena an'ingahy mpanao bizina. Nilokaloka io tovolahy io fa haveriny avokoa ny vola raha vao mivoaka ny entana, ary hiara-hiasa akaiky hanao bizina hahazoam-bola. Nilaza fa mpanafatra entana avy any an-dafy io tovolahy io, ary vonona ny hampivoatra ny fiainan'izy 2 kely nampiantrano. Lasa izay ny herinandro. Antsoina amin'ny finday ilay tovolahy, tsy azo. Narahana hatrany an-drenivohitra, tany amin'ireo olona nolazainy fa fianakaviany, fa tsy nahitam-bokany. Ontsa, sady onena izy mivady kely nampiantrano ity "olon-tsy fantatra", nitondra io fitarainana io. Sady nidiran-trosa no very fananana izy mivady kely.




Mani-te hody Ratsiraka
Nisesisesy ny fanehoan-kevitra ataon'ny amiraly Ratsiraka ho an'ny vahoaka Malagasy. Fanehoan-kevitra amin'ny alàlan'ny sary « vidéo » sy antso an-tariby miainga avy Paris. Ny tsy fahombiazan'izao fitondran-dRavalomanana izao amin'ny lafiny rehetra no ventesiny amin'izany.
Ny mbola fisian'ny delestazy manerana ny faritra maro eto amintsika toy ny any Antsiranana sy Fianarantsoa no nanakianany ity fitondrana ity indray. Efa nidina ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, nefa toa tsy misy fiantraikany eto amintsika izany, hoy izy. Ny resaka fahasalamana momba ny masony eo ihany, nefa nanamafy ny lehilahy fa salama izy na dia misy indro kely tokoa aza izany maso izany. « Tsy jamba araky ny nambaran'ny sasany aho », hoy ihany Ratsiraka. Raha ny feo mandeha eo anivon'ny antoko noforonin'ingahy amiraly, dia maniry ny hody eto Madagasikara fatratra ny izy mivady. Tsy ity taona ity anefa no hikasany hodiana an-tanindrazana, fa mialohan'ny fivoriana an-tampony aty Afrika izay i Madagasikara no handray izany. Mani-te hody Ratsiraka, hoy ny AREMA, saingy misy fotoanany ny zava-drehetra. Ireo mpanara-dia azy nandositra any ivelany kosa, dia toy ny kofehy manaram-panjaitra fotsiny hatreto.
Raha ireny fanambarana nisesisesy tao ho ao ireny no tazanina, dia mahatsapa ny rehetra, fa mitsapa ny halalin'ny rano ity filoham-pirenena teo aloha ity. Mbola hiverina amin'izay efa naloany ve ny vahoaka ?




Filohan'Antoko migadra
Biby tsy misy loha tsy mandeha
Mahatsiaro ho kamboty ireo antoko manana ny filohany migadra amin'izao fotoana izao. Ny antony, dia maniry ny handray anjara amin'ilay fihaonana izay hametrahana ny sata hifehy ny antoko politika izy ireo, saingy tsy afaka. Ho an'ny fikambanana "Tambatra" dia fantatra ny sabotsy teo raha nisy fivoriana tao Fianarantsoa, fa maniry ny hamoahana an'i Pety Rakotoniaina izy ireo. Ny antoko hafa nandray anjara tamin'izany ady hevitra izany ihany koa dia maniry ny hampodiana ireo nitsoam-ponenana any ivelany, aty an-tanindrazana. Marina hoy izy ireo fa misy ny mpikambana ao anatin'ny antoko afaka misolo tena azy ireo, saingy hafa ihany ny tena filoha mpanorina no miatrika ny ady hevitra tahaka ity hitranga ny 17 desambra izao ity. Ny biby tsy misy loha tsy mandeha hoy ny mpivory maro tao Fianarantsoa. Tsara ny manamarika, fa ny fikambanan'ny mpanao gazety any an-toerana no nikarakara izao hetsika izao.




Finoana sy politika
Voahilika ny sekta
Tsy olom-pirenena ve izahay fiangonana ivelan'ny FFKM ? Fanontaniana miendrika taraina no nataon'ireo fiangonana hafa ivelan'ny FFKM, raha nandre fa nantsoin'ny filoha Ravalomanana ireo fiangonana efatra lehibe eto amintsika ny talata lasa teo.
Manana ny hevitra ahafahana mampandroso ny firenena izahay. Tsy ho latsa-danja amin'izay efa fanehoan-kevitra nataon'ny hery samy hafa ny anay raha eo amin'ny lafiny politika. Ny mampalahelo anefa dia toa heverin'ny sasany fa fiangonana "kely" izahay, ka ireo mivondrona ao anatin'ny FFKM ihany no toa "raiamandreny" afaka hifanakalozana hevitra. Ho an'ny fiangonana Apokalipsy tarihan'i Pasitera Mailhol, dia nanambara fa manana mpino aman'aliny maro miparitaka eran'ny nosy izy ireo. Malagasy feno, ary mizaka izany zom-pirenena ireto mpino ireto. 12 taona izao no nijoroan'ity fiangonana Apokalipsy ity, ary olona 300 isam-bolana no vita batisa. Tsy azo hambara ho kely izany, hoy ity pasitera ity. Momba ilay fihanaombe ho atao ny 17 desambra izao, dia vonona ireto fiangonana tsy miankina ireto handray anjara toy ny FFKM raha antsoina. Raha tsy ilaina kosa, dia andraikitry ny fanjakana izany.
Tsy azo ambara ho kely
Raha tombanana tokoa dia miparitaka eran'ny nosy ny fiangonana tsy miankina. Zanam-piangonana, hoy ny hafa, ary ny sasany kosa miantso azy ireo hoe "sekta". Tafiditra ao anatin'izany ny "Jesosy Mamonjy", ny "Apokalipsy", "Rhema", "Shine", "Foyer Evangelika", "FPVM" sy ny maro tsy ho voatanisa, satria efa mila hitovy amin'ny isan'ny antoko politika eto ny isan'ireto zanam-piangonana nivoaka tao amin'ny FFKM ireto. Tsy azo hambara ho kely ireo raha ny fahitana ny mpino manaraka azy. Efa nisy tany aloha tany ny fikasan'ireto fiangonana ireto hanajoro fikambanana toy ny FFKM saingy tsy mbola tanteraka izany hatramin'izao. Asa na noho ny fitoriana ny Filazantsara samy manana ny azy no tsy dia hiraisan-kevitra ? Tsy izao fikasana ny hanao ny fihaonambe ny 17 desambra momba ny fiainam-pirenena sy ny politika izao ihany no mahatsiaro voahilika ireto fiangonana ireto, fa hatramin'ny fanampiana izay ataon'ny fanjakana ny fiangonana eo anivon'ny FFKM. "Tsy manana alahelo amin'ity fiangonana efatra ireto izahay", hoy ireo mpitandrina hafa tafaresaka taminay, "fa mba tokony ho mira lenta ny fanampiana ny mpino tsy ankanavaka eto amintsika".




Tsy manan-tsafidy
Mafana indray ny ady hevitra politika eto amin'ny tanàna. Mipoitra avokoa ireo antoko efa natory nandritra ny taona maro. Na efa tsy mitoetra intsony amin'ny foto-keviny aza ireny, dia mbola manana ny hevitra hambara kosa ny filoha izay nanorina azy.
Ny resaka fametrahana ny sata hifehy ny antoko politika no nanaitra azy ireo tamin'ny torimasony. Rariny izany, satria goavana ity lalàna hifehy ny fikirakirana politika ity. Tora-kovitra ihany anefa ny sasany mandre, fa ho voahilika ao anatin'ny fanaovana fihetsiketsehana ara-politika ny tsy miankina. Efa misy mandrangaranga an'io any. Asa na misy olona tsy ao anaty antoko politika mahazo sehatra hafa atahorana eto na tsia. Ho fampiharana ny jadona ihany koa ny fampihenana ny isan'ny antoko politika, satria samy manana ny tetikasam-pampandrosoana avokoa ny antoko, ka rariny raha omena sehatra. Maro ireo voavinavina mety handrafitra io lalàna io, fa ny vahoaka kosa etsy ankilan'izay tsy manan-tsafidy. Inona tokoa hambarany eo, satria ny hanina honaniny anio aza manahirana azy. Ho hita eo ny fahaiza-miray hanan'ny antoko sy fikambanana mitovy fomba fijery, fa izay mitambatra mahazo fahefana, fa ny misaraka lasa kilalaon'ny mpanao politika.




Làlana eto an-dRenivohitra
Izay vao taitra ny kaominina
Efa ela no nitaraina ny vahoaka momba ny fahapotehan'ny làlana eto an-dRenivohitra ny vahoaka, nefa toa tsy nisy mpihaino izany. Nilatsaka ny orana, nihombo ny fahapotehana. Nitohana ny fiara vokatry izany, ary niharatsy ny endriky ny làlana tsara tarehy teo aloha.
Herintaona aty aorian'ny nandraisan'ny ben'ny tanàna ny fitondrana vao hiroso tanteraka amin'ny fanamboarana izany làlana izany izy ireo. Ny alatsinainy izao no fantatra fa hanombohan'ny asa, ary heverina ho vita alohan'ny faran'ny taona.
Ingahy Andry Rajoelina, ben'ny tanàna eto an-dRenivohitra dia nilaza, fa misy ny làlana vita tsara ary mafy, toy ny eny amin'ny araben'ny Fahaleovantena. Any amin'ny làlana hafa kosa anefa, dia mora potika, ka raha vao milatsaka ny orana, dia efa feno lavaka.
Tompon'andraikitra isika rehetra
Manoloana ireo fotodrafitr'asa teo aloha kosa, dia isika rehetra no miara-tompon'andraikitra amin'ny fiarovana azy ireny. Tsy ho hitan'ny ben'ny tanàna, hoy i Andry Rajoelina, ny olona manimba zavatra eny an-dalambe rehetra eny. Ho hentitra ihany koa ny sazy ho an'ireo olona tratra manimba fananam-bahoaka. Rehefa mandray andraikitra, hoy ireo mpitantanana eo anivon'ny kaominina, dia tsy maintsy vita. Nomeny ohatra tamin'io ny nanalana ny fako teto tao anatin'ny 72 ora. Notsindriany fa aoka tsy ahely eto ny vaovao tsy marina toy ny nambara momba ny resaka "choléra" teny Ambohimanarina.
Ny tsara ho marihina, dia hay azo atao ihany ny mandray fepetra haingana toy ny fanalana ireny fako ireny, fa tsy niandrasana 15 andro araky ny nambara tany aloha. Raha tsy nitaraina ihany koa ve ny ankamaroan'ny vahoaka nisy nandray fepetra haingana amin'ity làlana feno lavadavadaka ity ? Sa tsy hitan'ny tompon'andraikitra isan-karazany ireny, raha tsy hambara amin'ny haino aman-jery samy hafa ?




Fanalefahan-tsazy ho an'ny gadra
Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony
Miditra an-tsehatra amin'ny fangatahana famelan-tsazy ho an'ny gadra rehetra eto Madagasikara ny mpanao politika vitsivitsy. Tsy famotsoran-keloka faobe, fa famindram-po, toy ny fanaon'ny filoham-pirenena isaky ny faran'ny taona. Tsy dia hita firy intsony izy io tao ho ao, ka izay no nahatonga ny andiana tanora niroso amin'ity hetsika ity. Taona vitsy lasa izay, dia niroso nanantona ireny fikambanana miaro ny zon'ny voafonja ireny ireto mpikambana ao amin'ny antoko politika vitsivitsy ireto. Niray làlana nanatona mpitondra fivavahana izy ireo, ka ireo gadra tsy mamerina heloka no voakasiky ity fangatahana ity. Nanantona ny filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha izy ireo, saingy tao no rava ny faniriana amin'ity hetsika ity.
Ankehitriny, dia tsy kivy izy ireo, ka nalefa mivantana any amin'ny filoham-pirenena ny fangatahana. Ny valiny sisa andrasana. Tsara ny milaza, fa ny depiote Zakahely ihany koa, dia efa nandefa fifonana any amin'ny filoham-pirenena Ravalomanana, volana vitsy lasa izay. Ny andefimandriny no nitondra io, ary nahazo izany avokoa ny ankamaroan'ny filohan'andrim-panjakana eto.
Ho hita eo
Misy mpanao politika maro, izay tsy namerin-keloka, voatana eny am-ponja amin'izao fotoana miteny izao. Eo amin'ny taona iray eo ho eo sisa dia ho vita ny saziny. Raha hanome fanalefahan-tsazy toy ny mahazatra ny filohan'ny Nosy amin'ny faran'ny taona izao, dia ho maro no ho afaka amin'ny gadrany. Midika ve ity fangatahana nalefa eny Ambohitsorohitra ity, fa mety hifandray amin'izay fanampahan-kevitry ny filoha amin'ny kabariny ny faran'ny taona izao ? Ho hita eo, fa ny maro, dia miantso ny hifamelana amin'ny izay vita. Sambatra ny mamela heloka fa ho voavonjy izy, ary mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony, hoy ny tenin'ny soratra masina izay.




Pierre Houlder sy ny Arema
Aza gadraina Ratsiraka
"Aleo haneho ny heviny Ratsiraka, satria manana zo feno izy amin'ny tsikera ataony izao fitondrana izao". Io no nambaran'ingahy Pierre Houlder, sekretera nasionalin'ny antoko AREMA, manoloana ny fihazakazaky ny tsikera ataon'i amiraly Ratsiraka miainga any Paris.
Malagasy feno ity nitsoam-ponenana ity, ka mba avelao izy hody an-tanindrazana. Maro ireo Malagasy nitsoam-ponenana tahaka azy momba ny raharaha 2002. Misy tamin'izy ireo no maty fianakaviana teto, nefa tsy mba afaka nanatrika izany. Hevitra politika no tsy niraisana, ka tsy efa fotoana tokony hanadinoana iny fifandonana iny ve izao. "Ny filoha Ravalomanana efa nilaza hoy ingahy Houlder, fa ny fery tsy nikombona toy izay efa homamiadana, koa tsy andeha hakatona ny fery ?"
"Tsy sanatria manolo-bato mafana ny amiraly Ratsiraka sy ireo mpiara-dia aminy aho milaza hoe modia. Rehefa tena mitoetra amin'ny mpitondra ankehitriny ny fanadinoana izay nitranga, tsy hanagadra an-dRatsiraka i Ravalomanana"




HOY IZY IREO
Tsy miova ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara : "Na hipetraka aza ny lalàna hifehy ny antoko politika, dia mbola manahy ny maro amin'ny fihetsiky ny mpitondra amin'izao. Maro loatra ny tsy fanajana ny teny nifanomezana", hoy i Monja Roindefo, filohan'ny antoko Monima. "Nirotorotoana ny fandinihana ity lalàna ity, nefa ny lalàna mifehy ny antoko aza tsy voahaja. Tsy tokony ho atao mizana tsindran'ila ihany koa ny faritra. Ireo aloha no tokony himasoana ankehitriny mba hampirindra ny fampandrosoana".
Kely finoana kosa ny DHD an'ingahy Harinaivo Rasamoelina : "Tokony ho sahy hanao fanamby lehibe ny fitondrana vao miroso amin'ity fandinihana ny lalàna hifehy ny antoko politika ity. Isan'io ny fanalalahana ny haino aman-jerim-panjakana. Ny tondroin'ny tanany sy ny lazain'ny vavany samy hafa, ka izay no mampanahy anay mpanao politika, hoy ihany ity DHD ity. Raha tsy mazava ny fo, tsy misokatra ny saina".
Aza henjehina ny mpanohitra, ka sanatria atao toy ny mpangalatra : "Aza sembatsembanina ny zo fototra hananan'ny olom-pirenena tsy ankanavaka. Toy izany koa ny lalàmpanorenana. Io no nambaran'ny antoko Leader Fanilo, izay isan'ny handray anjara amin'ny ady hevitra politika momba ny lalàna hifehy ny antoko politika. Mila apetraka amin'ny tsy miakina ny famolavolana ny fifidianana. Atao tokana ny bileta, omena sehatra malalaka amin'ny haino amanjery (RNM - TVM) ny mpanohitra". Isan'ny nambaran'ingahy Jean Max io
Nangonin'i Penjy R




Izay mitambatra Ivato
Tapaka tao anatin'ny Filankevitry ny minisitra izany, fa atambatra ho iray ny eny Ivato roa tonta. Ivato Firaisanana sy Ivato Seranana io. Ho tapitra hatreo ny disadisa eo anivon'ireto kaominina roa ireto hoy ny mpitazana rehetra. Zary ho nofy sisa ireo adilahy politika nataon'ny ben'ny tanàna, tamin'ny kaominina mpifanolo-bodirindrina ireto.
Nipetraka iny ny lalàna navoakan'ny fanjakana, ny fampiharana sisa andrasana. Ho avy ihany koa ny fivoriana izay ho atao eto amintsika, ka Ivato no karazan'ny renivohitry i Madagasikara handray ny lanonana. Io ilay nantsoin'ny maro hoe adino hatreo ny kaominina Antananarivo renivohitra. Velon-kafaliana ny vahoaka, saingy be fanahiana ihany. Iza amin'ny kaominina roa tonta tokoa no hisalotra ny anarana sy ny toerana ? Voalohany amin'io, dia ho atao Ivato Seranana ve sa atao Ivato Firaisana ny anaran'io kaominina io ? Ny ben'ny tanàna avy aiza no hitondra ny baolina ? Sa hametrahana delegasiona manokana hitondra ny kaominina ? Tsy hay intsony, fa ny tsapa, dia hiova ny tanàna. Hiova toy izany koa ny fiainan'ny mponina. Olona iray mantsy no hifehy azy ireo, ka vita hatreo ny zarazarao hanjakana. Ny asa ataon'ny fanjakana eny an-toerana ihany koa efa maro, ka rariny raha ny vahoaka manontolo misalotra ny anaran' Ivato no higoka ny mamy. Ity tokoa no tonga amin'ilay fiteny hoe izay mitambatra Ivato, fa izay misaraka, aleo hitan'ny havany eo.




Vono olona teny Ivato-Aéroport
Tafavoaka ilay nahavanon-doza
"Mahalasa adala ve ny mamono olona ? Mety ho eny, ary azo atao tsara ny mody adala mba hialàna amin'ny mety ho figadrana". Io no nambaran'ity renim-pianakaviana iray, vao namoy ny zanany teny Ivato-Aéroport ny volana Aprily lasa teo.
"Vono olona niniana natao no nahafaty ny zanako. Ny tena mampalahelo, dia olona mpitandro ny filaminana mpiaro olona ambony iray eto amin'ny firenena no nahavita ny heloka. Ny volana Aprily lasa teo no voatifitra ny zanako tao amin'ny trano fisotroana iray teto Ivato Serananana. Asa na resa-behivavy no nahatonga ny fitifirana, fa nitsoaka avy hatrany ity mpitandro ny filaminana ity raha vao nahafaty ny zanako. Tifitra niniana natao io. Ny volana Jiona lasa teo no tratra tany Antsirabe ity zandary ity, hoy ihany ny reniny raha nitantara ny tranga tamin'ny mpanao gazety. Naiditra am-ponja vonjy maika izy io, rehefa avy nandalo fampanoavana. Ny mampalahelo, dia efa tafavoaka ny fonja sahady izy io ankehitriny, ary voalaza fa adala ity lehilahy ity, ka izay no anton'izao famoahana azy ny fonja izao. In-dimy niakatra teny anivon'ny fitsarana ny raharaha, saingy mbola tsy nisy didy nivoaka", hoy ramatoa Hanta renin'ilay maty nitatitra ny alahelony. Mangataka ny Fitondrana mahefa sy ny Fitsarana, ity renim-pianakaviana ity, mba hijery akaiky izao tranga izao, satria toa heverin'ny sasany fa tsy misy vidiny ny ra nalatsany.




Fanambarana avy amin'ny Radio sy TV VIVA
VIVA TV/Radio FM 98.8
Antananarivo, 14 desambra 2008.
Ny VIVA hatramin'izay nisiany, herintaona izao, dia niezaka hatrany tamin'ny fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpanjifa teo amin'ny sehatra fiaraha-miasa, na amina dokam-barotra (Publicité) sns...Ka n'inon'inona natao. Na teo amin'ny fampahalalam-baovao, na tamin'ny fandaharana novokarina dia natao izay hanolorana zavatra tsara ny mpanjifa, nametrahana ho ambony ny kolon-tsaina Malagasy ka nanomezana izay noheverina fa tsara tamin'ny sokajin-taona rehetra, ifantohan'ny filamatra hatrany manao hoe : « Le Feeling de toutes les générations ». Dia mirona amin'io ny foto-kevitra rehetra eo amin'ny fanabeazana na fampahalalàna amin'ny olom-pirenena ny zava-misy marina, tsy ny eto an-tanindrazana ihany fa izay vaovao lehibe misongadina miseho any ivelany ihany koa... Kanefa dia izao mijanona tsy afa-manohy izay tanjona hanome fahafaham-po ny mpijery izay ny VIVA noho ny fanapaha-kevitry ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisana ary ny Fifandraisan-davitra, nanao sonia ny taratasy voaray ny alin'ny 13 desambra 2008 hanajanonana ny TV, rehefa nandefa ilay fanehoan-kevitra fanazavàna ny zava-misy araka ny fahalalan'ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoham-pirenena teo aloha, ny toe-draharaha misy eto amin'ny Firenena sy izay mahakasika an'ity Nosy ity. Marihana fa maro tamin'ireo gazety mpiseho isan'andro no namoaka izany koa, andro vitsy talohan'ny nandefasan'ny VIVA izany ny sabotsy alina. Efa nisy televiziona sy radio ihany koa efa namoaka ny ampahany tamin'izany resadresaka nataon'ny Amiraly Didier Ratsiraka izany.
Dia mampametra-panontaniana ny VIVA amin'izao izy tonga tamin'ny fanakatonana ny Antenne tsy hahafahan'ny Televiziona manohy ny asany izao.
Ny VIVA dia maneho etoana ny fisaorana lehibe anareo rehetra mpijery sy mpihaino azy. Ary mbola mampanantena ny hanome ny kanto sy tsara hatrany ho antsika rehetra.




Tsy sahy miady hevitra
Be resaka ambadika fa tsy sahy mifanatrika miady hevitra. Io no tsapa amin'ireo mpanao politika eto Madagasikara. Asa tahotry ny ho resy imasom-bahoaka ve sa mbola tsy zakan'ny demokrasia eto Madagasikara ny ady hevitra ?
Raha hitodihana ny tranga niseho teto Madagasikara, dia ny andron'ny Profesora Zafy Albert fony izy teo amin'ny fitondrana no nisy izany ady hevitra nifanatrehana izany. Ny amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy no nanao izany tamin'ny fahitalavim-pirenena. Andro hanaovana ny faradoboka teo amin'izy mirahalahy mianaka ireto io, raha hiatrika ny fihodinana faha-roa amin'ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika ny taona 1997. Zary adino hatreo io nanomboka teo, na dia maro aza no nikarakara hetsika toy izany. Niarahantsika nahita ny fifanatrehana saika natao nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna farany teto Madagasikara, ka tsy tonga tamin'ny ora farany ny kandida avy amin'ny antokom-panjakana teto an-drenivohitra.
Nanao ny loabary an-dasy indray ny filoha Ravalomanana, ka ireo ivelan'ny fitondrana maro no tsy sahy niaka-dapa. Teraka tao ny handinihana ny sata hifehy antoko politika, ka ireo hiarahana mahita ireo indray ny fanehoan-kevitra samy hafa. Tsy ho eny indray hono ny mpanohitra. Fa inona no atahorana hiady hevitra ? Ekena fa manana ny tolo-kevitra entina hiaingana ny fanjakana, saingy azo atao tsara ny miady hevitra. Tsy misy resy tsy miady hoy ny fomba fiteny, fa ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Fa angaha moa tsy mpanohitra avokoa ny ankamaroan'ny antoko eto ? Inona no tsy handresena amin'izany ao anatin'ny dinika ho atao eny Iavoloha.
Sa atao toy ny fifidianana izy ity, ka rehefa vita ny latsa-bato, ka mandresy ny hafa, dia mangataka ny hamerenana izany ny tsy nirotsaka, fa hambara ho nisy hala-bato ? Ho vita ihany koa ny dinika dia hangataka ny hamerenana izany ireo tsy nandray anjara aty aoriana fa hambara ho antoko vitsy no nandinika azy tao, nefa ianao nantsoina tsy nanatrika. Isika rehetra no mandinika, fa aoka tsy ho mora entim-po, ka ato afara vao hanenina.




Fampihavanam-pirenena
Voadaka ny fanirian'ny CRN
Tsy isan'ny ho dinihana ao anatin'ny sata hifehy ny antoko politika ny resaka fampihavanam-pirenena sy ny raharaha 2002. Toy izany koa ny famoahana ireo gadra politika eto amintsika sy ny famerenana ny fifidianana. Saika fangatahan'ny CRN avokoa ireo.
Voadaka hatreto ny fanirian'ny CRN izay tarihin'ny Profesora Zafy Albert. Mirona betsaka amin'ireo fitakiana ireo tokoa ny hetsiky ny CRN, ary nanambara izy ireo fa tsy handray anjara amin'io fivoriana io, raha toa ka tsy voavaha ireo fangatahany ireo.
Ny andraikitry ny antoko politika eo amin'ny fampandrosoana sy eny anivon'ny fiaraha-monina no isan'ny hevi-dehibe ho dinihana amin'ny alarobia izao. Eo ihany koa ny resaka momba ny tokony hanenàna ny isan'ny antoko eto na tsia. Atsimo sy Avaratra eto izany ny hevitry ny mpitondra sy ny ekipan'i Profesora Zafy Albert. Toa tsy mety hiray làlana tokoa ny hevitr'izy roa ireto e ?




Farimbon'i Madagasikara vaovao
« Ataon-dRavalo "vitrine" ny antoko politika »
"Tsy ho eny Iavoloha izahay ato amin'ny Farimbon'i Madagasikara vaovao", hoy i Pierre Andrianantenaina. Ny antony, dia toa fisehoana ivelany no betsaka fa tsy ny tena ahasoa ny fanaovana politika eto. Mirotoroto ny mpitondra hanao ity sata ity, saingy izay ve no maika ? Ny maharototra ny olona izao araka ny hevitry ny "Farimbon'i Madagasikara vaovao", dia ny fijerena ny fahoriam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Ny Etika politika no tokony himasoana fa tsy ny lalàna hifehy ny antoko politika. Ilaina maika ihany koa ny famotsorana ny gadra politika, ary ny tokony averina ny fifidianana, ary ny bileta tokana no ampiasaina. "Asakasaky izay ho eny", hoy ny fara-teny namaranan'ity mpanao politika ity ny resany.




Fanambarana
Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara
Manoloana ny didim-pitondrana navoakan'ny Ministeran'ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fifandrasisana, manakatona ny Televisiona VIVA, ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao :
* 1- Ny fahamaroan'ny orin'asa mpampahampalala vavao dia fepetra iray takian'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety mba hahafahan'ny olom-pirenena tsy an-kanavaka manana loharanom-baovao feno mamela azy hanana safidy malalaka. Noho izany, ny Holafitry ny mpanao gazety dia tohina mandrakariva manoloana fanakatonana foibe fampalalam-baovao sy haino aman-jery. Noho izany ny Holafitra dia mitaky ny hamelana hiasa ireo fitaovam-pifandraisana sy haino aman-jery niharan'ny fanakatonana.
* 2- Ny Holafitry ny mpanao Gazety eto Madagasikara dia miantso mpa,ao gazety tsy an- kanavaka hamantatra sy handalina ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny fanaovan- gazety manan- kery eto amin'ny Firenena amin'izao fotoana izao ary hanaja izany ao anatin'ny fenitra sy ny fitsipi-pitondratena (déontologie et éthique) mifehy ny asa fanaovan- gazety.
* 3- Ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia miantso ny mpitondra mahefa isan'ambaratongany mba handinika sy hamoaka haingana ny lalàna vaovao mifehy ny fifandraisana eto Madagasikara, mifandraika amin'ny zava-misy eran-tany sy eto Madagasikara amin'izao vanin'andro misy antsika izao.
Antananarivo faha 15 desambra 2008
Ny Filoha
Rufin RAKOTOMAHARO




Vidin-tsolika
Mitsentsitra ny ran'ny Malagasy
Very maina ny ezaka atao eto, raha tsy voajery haingana ity resaka vidin-tsolika eto Madagasikara ity. Ny antony, dia voalaza fa tafakatra 7,5% ny fisondrotry ny harin-karena eto amintsika. Tsy hita anefa ny fiantraikany izy io noho ny afitsoky ireto goaibe mpanafatra solika vahiny ireto.
Nidina 45 dolara ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, nefa mbola zara raha nahitana fidinany ny vidiny eto amintsika. Midika izany fa misy fitiavan-tena ny ataon'izy ireo, hoy ny filoha lefitry ny Grad Iloafo, Razafimahefa Herimanana. Tsentsafin'ny vidin'ny solika ny toe-karena Malagasy, ka tsy hita mipaka any amin'ny fiainam-bahoaka io tahan'ny toe-karena miakatra io. Tokony averina eo amin'ny fanjakana ny fanafarana itony solika itony, mba ahafahana mametra ny tena vidiny eto an-toerana. Manampy trotraka ity vidin'ny solika ity ihany koa ny ataon'ny banky eto amintsika, izay vahiny no mitantanana azy. Fampindramam-bola kely no atao, nefa midangana ny zana-bola alainy.
Vonona ny vahoaka
Manoloana ireo, dia ny fananana angovo no tokony ho atao laharam-pahamehana, hoy ity filoha lefitra eo anivon'ny Grad Iloafo ity. Vonona ny vahoaka hanohana ny ezaka hataon'ny fanjakana amin'ny mety fanerena ireto vahiny diso manararaotra ny Malagasy amin'ity vidin-tsolika eto amintsika ity. Terena no tokony ho atao azy ireo, fa ampy izay ny fiangaviana ny hamerenana ny vidin'ny solika amin'ny laoniny. Ar 2000 latsaka no tokony ho vidiny eny amin'ny mpaninjara. Hanaraka ny fidinan'io avokoa ny vidin'entana rehetra eto raha tanteraka izany. Hita fa mbola fehezin'ny vahiny ny toe-karena malagasy, ary manaiky izany isika matoa manao izay tiany atao izy ireo. Tsara ny milaza fa efa nitana andraikitra lehibe teo anivon'ny minisiteran'ny Angovo sy ny Harena ankibon'ny tany, Razafimahefa Herimanana, taona vitsy lasa izay, ka mahalala tsara ny mety ho vidin'ity solika ity.




Mpanjato Raharinosy
« Ajoroy ny demokrasia tena izy »
Be ny resaka misavoana manoloana ny ady hevitra amin'ny hananganana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Izay indrindra no hitondran'i Mpanjato Raharinosy hevitra momba azy io. Mpahay lalàna, ary nianatra ny momba ny siansa Politika ny tenany, ary mpikambana ao anatin'ny antoko "Tambatra".
* M.T : Vanim-potoana tokony handinihana ny sata hifehy ny antoko politika ve izao ?
Mpanjato : "Ny tsara ho fantatry ny olona aloha, dia ny hoe inona no atao hoe demokrasia, satria ny foto-kevi-dehibe tian'ny filoham-pirenena Malagasy hahatongavana, dia ny hampanjaka ny demokrasia eto amin'ny tany sy ny firenena".
* Inona ary no atao hoe demokrasia ?
"Ny atao hoe demokrasia, dia teny grika, avy amin'ny teny hoe demokrasia ny "Demos" midika ho "Peuple", "kratein" midika ho "gouverner". Dikany malalaka izany, dia ny hoe "gouvernement du peuple, par le peuple et pour le peuple". Ilay "gouvernement du peuple" kosa dia Frantsay no nanoratra izany ao amin'ny Lalàmpanorenany. Tsapa fa ingahy Alexis de Tocqueville koa dia nanamafy izany tany Amerika. Raha fehezina izany dia ny demokrasia dia endrika governemanta, miantoka ny fitovian-jo sy ny fahafahan'ny olom-pirenena tsirairay. Betsaka noho izany ny firenena manerana an'izao tontolo izao, no nampitondra ny kianja malaza any aminy ho kianjan'ny demokrasia. Ohatra ny kianjan'ny Tien An Men, izay manana ny sata manokany, izay tena lehibe tokoa ao Pekin, renivohitry i Chine".
* Ny mety ho fampihenana ny antoko politika eto ?
"Ny fisian'ny antoko politika maromaro, dia efa milaza avy hatrany fa misy ny demokrasia, satria ireo antoko politika ireo no hisafidianan'ny vahoaka ho ampindraminy ny fahefana. Ny fampihenana ny antoko politika, dia mampihena miandalana ny safidim-bahoaka, ary rehefa mampihena ny safidim-bahoaka, dia mazava ho azy fa tsy misy fahalalahana ho azo atao, ary manosihosy ny tena demokrasia.
Noho izany, dia mifanohitra amin'ny tanjona tiana ho tratrarina amin'ny fananganana demokrasia, na ankolaka io na mivantana. Ny tena zava-doza, dia raha miroso amin'io isika, dia toa manamarina avy hatrany eo anatrehan'izao tontolo izao, fa tena fanonganam-panjakana marina no nahazoan'ny filoham-pirenena ny fanjakana nanomboka ny 2002 ireny. Ingahy Duverger Maurice, politologue frantsay, dia milaza mazava tsara, fa ny mpitondra nahazo fanjakana avy amin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana, dia misafidy ny hanao jadona avokoa. Ny tena ratsy, dia ho lasa mangidy hoditra amin'ny vahoaka ny mpitondra manao jadona, toy ny nampivondronana ny antoko politika tao amin'ny mandatehezana miaro ny tolom-piavotana".
* Ny hevitrao momba ny famatsiam-bola ny antoko politika ?
"Raha tena demokrasia marina no atao eto, dia tsy tsara ny hamatsiam-bola ny antoko politika. Ny antony, dia lasa ny vola indray no mibahana fa tsy ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny finiavana te-hampandroso ny tany sy ny firenena. Izany akory tsy midika fa tsy tokony omena ny valin-kasasarany izy ireo, fa aoka kosa ny vahoaka no hamaritra ny asa vitany".
* Ny azo hamitinana ny hevitrao ?
"Misaotra ny filoham-pirenena nanao ity hetsika ho atao rahampitso eny Iavoloha ity. Zava-dehibe io, ka rariny raha mandray anjara ny rehetra. Sahia miady hevitra isika antoko politika, ary aoka tsy afangaro amin'ny resaka hafa ny sata hifehy ny antoko politika, satria hiantoka ny ho avin'ny antoko rehetra eto Madagasikara izy io".
Dinika noraisn'i Penjy R.




Matanjaka malemy
Nakatona izany ny fahitalavitra VIVA. Nitombo isa indray ny tantaran'ny haino aman-jery nakaton'ity fitondrana ankehitriny ity ao anaty bokin'ny asa fanaovan-gazety eto Mdagasikara. Ny kabarin'ingahy Didier Ratsiraka izay efa osa sy antitra mitsoam-ponenana any ivelany, no antony nanaovana izao fihetsika izao. Manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny, ka rasina avy hatrany ny fepetra tamin'ny sabotsy alina iny.
Gaga ny maro, satria olona efa nandositra any an-tany lavitra any no mbola heverina fa mety hanohitohina ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara. Raha ny asa vitan'ny fitondrana ankehitriny, tanisaina amin'ny haino aman-jery lava isan'andro izao, dia tokony tsy ahataitra ny fanjakana izay kabary fanaratsiana any. Ny vahoaka aza efa kivy mahita ity kapitenin-tsambo nahavita nandao ny vahoaka mpiara-dia taminy nandritra ny ady sarotra, ka ireo mbola migadra any am-ponja ireny ny ankamaroan'ny namany. Ahavita inona eto intsony ny olona tahaka izany ?
Dia nomena endrika ratsy indray ilay fitondrana efa nanomboka namiratra ny asa natao teo. Fanjakana hambara fa matanjaka, satria izao tontolo izao aza manaiky azy matoa atao aty amintsika ny fivoriana atao amin'ny herintaona sy ny frankaofaonia amin'ny taona 2010. Kivy ny maro, satria hay ve ka mbola atahorana ihany i Ratsiraka e ? Olona efa antitra tsy sahy mitodi-doha eto Madagasikara no nandravana orinasa mikirakira ny haino aman-jery. Dia mba ahoana izany izao ireo mpiasa tratry ny somazy teknika ireo ? Matanjaka malemy ity fitondrana ity, hoy indray ny hafa. Miara-manaiky isika fa raha i Ben Laden no manaratsy ny fitondrana Amerikana amin'ny fahitalavitra iray ao Etazonia, mety hikatona ny haino aman-jery nanao izany. Tsy toy izay kosa anefa ny amiraly Ratsiraka fa filoham-pirenena resy tamin'ny fifidianana no niteraka korontana politika. Raha hiverina eto izany ingahy io hanao ahoana ny hanjo izay mpanao gazety mamoaka ny fahatongavany ? Sa hipetraka ho lalàna ihany koa ny tsy fahazoana mamoaka vaovao momba ity olona efa kokan'ny fahanterana tsy ahavita afa-tsy ny vavabe ity sisa ?




Tsiadana
Andry Rajoelina réunit le « Club des 20 »
Le maire d'Antananarivo a réuni, hier soir, autour de lui à Tsiadana, route de l'université, 20 personnalités politiques : Roland Ratsiraka, Andriamanjato Richard, Madeleine Ramaholimihaso, Ranjivason Jean Théodore, Monja Roindefo, Ny Hasina Andriamanjato, Lahiniriko Jean, Ramaromisa Daniel, Jean Max, Clément Ravalison, Marson Evariste, Beza Seramila, Raharinirina Jacques Aimé, Gabriel Rabearimanana, Pierre Houlder, Ramaroson Laurent, Ramakavelo Désiré et Eric Rakotomanga. Aucun représentant du CRN n'a participé à la réunion.
Un comité de rédaction dirigé par Ny Hasina Andriamanjato est chargé de rédiger une déclaration demandant plus de démocratie, de respect des libertés d'expression, d'opinion, de réunion et de presse.
Andry Rajoelina a promis à l'assistance la création d'une Place de la Démocratie à Antananarivo.
Le groupe donnera une conférence de presse, cet après-midi à 15 heures.




Singam-bolo nandavo ny vositra
Raikitra ny ady hevitra etsy Iavoloha. Misy ny vonona, ary misy ny ninia tsy nihaino ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana. Tsy mbola hay aloha hatreto, izay hevitra hivoaka ho lalàna ao, fa ny tsapa, dia nahasarika ny ady hevitra politika maro teto amin'ny nosy io sata hapetraka hifehy ny antoko politika io. Tsy hitanisa izay mety ho isan'ny mpandray anjara eny isika, fa ny azo antoka, dia hipetraka ho lalàna io, ary tsy maintsy ho toavin'ny antoko rehetra izay misy eto. Maro ireo nihevitra fa handray anjara amin'ity dinika ity, saingy nisy ilay singam-bolo nandavo ny vositra momba ny fikatonan'ny VIVA tele iny, ka nahatonga ny antoko maro nihemotra tamin'ny ora farany. Midika izany, fa mifampiandry kendry tohina ny samy mpanao politika rehetra. Ny fanjakana miandry izay heveriny fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna sy ny fomba fijeriny, ary ny mpanao politika miandry ny fanjakana hisolifatra. Tsy hisy raharaha ho vanona eto, raha toy izany hatrany no hitoetra eo amin'ny samy mpiray tanindrazana. Dia tsy ho gaga angamba isika, raha hilaza ny ankamaroan'ny vahoaka hoe leo politika izahay. Izay tokoa ve anefa no tena marina ?




Fanambadiana tetsy Ambanidia
Tsy fitiavana fa noterena
Ny hanambadiana hiadanana. Tsy izay anefa no nitranga tetsy amin'ny boroborintany faha-roa ny alakamisy sy ny sabotsy lasa teo, teo amin'ireto olon-droa saika hanorina tokan-trano.
Ho atao ny soratra ny alakamisy maraina lasa teo. Rehefa vory ny fiankaviana tao amin'ny efitrano fisoratana tao Ambanidia, ary hiroso amin'ny fanoratana ny ben'ny tanàna lefitra no niseho ny tsy nampoizina. "Tsy noterena ve ianao hanambady an'i ... hoy ingahy mpanoram-panambadiana" ? "Noterena tompoko", hoy razazalahy teo imasom-bahoaka ! "Tia azy ve ianao anefa sa tsy tia io vehivahy ho vadinao io" ? "Tsy tia azy aho tompoko", ho indray razazalahy. Rakotry ny henatra ny fianakavian'ny andaniny sy ny ankilany nanatrika tao, iny alakamisy iny.
Vita ihany
Rehefa izay no nitranga, dia notarihan'ingahy ben'ny tanàna lefitra hivadika tao amin'ny efitra ilany ity zazalahy antsoina hoe Thi... ity. Rehefa niverina avy izy ireo, dia nanontany an-drazazavavy indray ingahy mpanoratra. "Tsy noterena ve ianao hanambady azy" ? "Tsy hiteny aho raha tsy fantatro ny resaka nataonareo tao ambadika tao", hoy indray ity razavavy ity. Nihenjan-droa indray ny tady, saingy vita ihany ny soratra nony farany.
Tsy nitranga razazavavy
Ny sabotsy teo no voatondro hanaovana ny mariazin'izy roa ireto. Ny mampalahelo anefa dia tsy tonga indray ilay zazavavy. Ny fianakaviana sy ny sakafo anefa efa vory lanona tao amin'ny efitrano malalaky ny fiangonana katolika Ambanidia. Ny hany sisa natao dia fotoam-pivavahana tsotra tao am-piangonana nentina nankahery ireo fianakaviana saika hanatrika mariazy. Vita izay dia niroso tamin'ny sakafo ny olona nasaina, ary tao indray ity zazalahy ity no nitsiriritra izay ho andefimandriny any aoriana. Tsara ny milaza fa efa nitondra vohoka enim-bola ity vehivavy tsy tonga tamin'ny ora farany ity.




Dinika eny Iavoloha anio
Tsy hiandry izay tsy vonona ny filoha
Tsy naharototra ny antoko politika ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana, amin'ny dinika ho atao eny Iavoloha anio. Hametraka ny sata hifehy ny antoko politika ny tanjona anio, nefa maro ireo antoko milaza tsy ho eny. Tao anatin'izay fotoana vitsy nanaovan'ny filoha Ravalomanana antso avo izay, dia efa fantatra ireo antoko tsy ho eny Iavoloha anio. Isan'io ny CRN, tarihan'ny Profesora Zafy Albert. Ny Akfm misy an-dramatoa Gisèle Rabesahala, ny "Fihavanantsika" tarihan'ny pasitera Daniel Rajakaoba, ny SPDUN izay ingahy Lahiniriko Jean no filohany. Ny antoko AVI izay nihemotra tamin'ny ora farany noho ny fanakatonana ny fahitalavitra VIVA. Ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ihany koa dia lasa any ivelany ny alatsinainy teo. Ny Farimbon'i Madagasikara vaovao misy an'i Pierre Andrianantenaina. Ny RPSD ahitana an'i Marson Evariste, ny antoko Arema miaraka amin'i Pierre Holder, ny Federalista misy an'i Tabera Randriamantsoa. Ny "Analamanga" miaraka amin'ingahy Avonel, ny "Herivelona Rasalama" ihany koa izay ingahy Avonel Andriantsilavo no voasoratra mitarika azy.
Ireo vonona hiady hevitra
Ireo ho antoko ho eny Iavoloha kosa dia ny antoko MFM miara-diaa amin'i Manandafy Rakotonirina. Ny Arema Matotra misy an'i Pierre Raharijaona, ny antoko MFM/3FM misy an'i Satrobory, ny antoko TEZA miaraka amin'i Moxe Ramandimbilahitra. Ny antoko Grad Iloafo misy ny loholona Rabetsitonta, ny PRM misy an'i Ralison Roger, ny "Tambatra", izay ny filohany mbola migadra eny Tsiafahy, Pety Rakotoniaina, ka ny solontenany no ho eny. Ny AKFM Fanavaozana miaraka amin'i Pasitera Andriamanjato Richard.
Ireto kosa ny antoko tsy hay na ho eny na tsia, satria manjavozavo be ihany no momba azy ireo. Ny RPSD vaovao misy an'i Voninahitsy izay migadra eny Tsiafahy, ny AME izay tarihan'i Raveloson Clément. Ny "Madagasikarantsika" misy an-dRamatoa Elia Ravelomanantsoa. Ny antoko MONIMA tarihan'ingahy Monja Roindefo.
Ireo no fantatra tamin'ny fotoana nanoratanay, ka mbloa mety misy ny hiova hevitra amin'ny ora farany.
Hatreto aloha, dia tsy miandry izay tsy vonona ny filoha Ravalomanana, fa dia hiroso amin'ny ady hevitra izy ireo anio.




Lalànan'ny Antoko
Omena enimbolana ny rehetra
Indro atolotra anao mpamaky ny Volavolan-dalàna momba ny antoko pôlitika avy amin'ny governementa.
Andininy voalohany - Ity lalàna ity dia mamaritra ireo antoko politika eto Madagasikara. Izy no mametra indrindra indrindra ireo fepetra mikasika ny famoronana, ny fandaminana, ny fampandehanana ary ny famatsiana ara-bola azy ireo.
And. 2 - Ny antoko politika iray dia vondron olona manana drafi-piaraha-monina mazava sy miaraka mandray anjara amin'ny fiainana ara-politika amin'ny fomba demokratika ary manana fomba fijery sy tanjona politika iombonana.
Ny antoko politika iray dia mandray anjara amin'ny fametrehana ny fahavononana arapolitika sy ny fanehoana ny sadifim-bahoaka, indrindra indrindra amin'ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana, amin'ny fanabeazana ny olom-pirenena vanona sy fanabeazana ara-politika ary ny fandrisihana riy vehoaka handray anjara amin'ny fiainam-pirenena.
And. 3 - Ireo antoko politika dia afaka mivondrona.
Ny vondrona antoko politika dia ahitana antoko politika roa na maromaro izay mifanaraka, hahatratrarana tanjona politika iray ary miara-mientana manatanteraka asa iray na maromaro voafaritra. Na izany aza, dia fehezin'ny fepetra voafaritry ny lalàna izy ireo ka tsy mahazo mampiasa fomba tsy nahezoana alalana.
SOKAJY VOALOHANY
NY AMIN'NY FANANGANANA ANTOKO POLITIKA
And. 4 - Ny fananganana antoko politika iray dia tsy tokony hanohintchina ny firaisampirenena, ny maha-iray tsy hanombinana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo foto-kevitra ara-demokratika.
Na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, ny fananganana antoko politika dia tsy tokony hiainga avy amin'ny fanavakavahana ara-piaviana, ara-poko, na ara-pinoana.
Ny isam-batan'olona irery ihany no afaka ho mpikambana amin'ny antoko politika iray.
And. 5 - Ny olom-pirenena malagasy rehetra feno18 taona, tsy anavahana ny amin'ny maha-lahy na amin'ny maha-vavy, mizaka ny zon'ny isam-batan'olona sy ny zo politika dia afaka miditra malalaka ho mpikambana anatina antoko politika iray araka ny safidiny.
Malalaka ihany koa izy hametra-pialana amin'izany antoko politika izany.
Na izany aza anefa, dia tsy misy mahezo milatsaka ho mpikambana amin'ny antoko politika mihoatra ny iray
And. 6 - Ireo tanora latsaky ny 18 taona dia afaka miditra ho mpikamban'ny rafitm anadny manokan'ny antoko polibka iray hahæoan'izy ireo fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy fanabeazana ara-politika.
And. 7 - Ny antoko politika rehetra dia ahitana rafitra foibe, rantsana isam-paritra sy rantsana ifotony.
And. 8 - Tsy misy mahazo hofidiana ho mpikambana hitarika antoko politika iray na ny iray amin'ireo rantsany reha tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy, mizaka feno ny zon'ny isambatan'olona ary feno 21 taona fara-fahakeliny amininy vanin'andro nananganana ny antoko.
Na izany aza anefa, ny olom-pirenena feno 18 taona dia afaka omena andraihtra amin'ny fitantanana anatiny.
And. 9 - Ny antoko politika dia tsy maintsy manana foibe miavaka amin'ny fanondroana tocram-ponenana.
Io foibe io dia tsy maintsy eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'l Madagasikara.
And. 10 - (...)
And. 11 - (...)
And. 12 - Ny didim-pitondrana fananganana dia tsy maintsy mivoaka ao anatin'ny roa volana aorian'ny nandraisana ny fanambarana fananganana miaraka amin'ireo antontan-taratasy mitovana aminy.
Raha tsy izany dia tsy maintsy mamoaka fampahafantarana arahin'antony any amin'ilay antoko politika voakasika fara-fahatarany dimy andro aorian'ny fahataperan'ny fe-potoana roa volana ny Minisitera miadidy ny Ati-tany. Toy izany koa ny lehiben'ny faritra sy ny lehiben'ny distrika.
Ireo antoko politika nitsangana ara-dalana dia voarahtra ao amin'ny rejisitra nasionaly izay tazomin'ny Minisitera miadidy ny Ati-tany.
And. 13 - Raha toa ka tsy nisy fampahefantarana natao tao anatin'ny fe-potoana voafaritra, dia heverina ho toy ny tafatsangana ara-dalàna ilay antoko politika. Ny Minisitera miadidy ny Ati-tany, ny lehiben'ny faritra na ny lehiben'ny distrika dia tsy maintsy memerina amin'ny laoniny ny toe-drehareha fara-fahatarany ao anatin'ny fe-potoana 15 andro. Amin'izany dia tsy maintsy mamoaka ny didim-pitondrana fananganana ilay antoko voakasika izy.
And. 14 - (...)
And. 15 - Ireto antontan-tarata sy manaraka ireto dia tsy maintsy atovana amin'ny fanambarana ny fananganana ny rantsana iray any amin'ny faritra na eny if otony : (...)
And. 16 - Ny rafitra foiben'ny antoko polibka dia ahitana fara-fahakeliny mpikambana roa ambin'ny folo voafidin'ny fivoriambe mpanorina. Ny rantsana isam-paritra dia ahitana mpikambana folo ary ny rantsana ifotony dia ahitana mpikambana dimy.
SOKAJY FAHAROA
NY ANDRAIKITRY NY ANTOKO POLI TIKA
And. 17 - Ny antoko politika dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra fisiana izay voalaza manaraka ireto raha tsy izany dia foana :
* ny fananana sata
* ny fanoratana ny antoko politika ao anatin'ny rejisitra nasionaly
* ny fametrehana drafi-piaraha-monina
* ny fametrahana lamin'asam-pirenena momba ny fanabeazana
* ny fanambarana ny fisiana isan-taona, isan'ambaratonga miaraka amin'ny filezana ireo mpikambana mpitarika
* ny fanambarana ny fiovana rehetra mitranga mandritra ny fiainan'ny antoko
And. 18 - Tsy maintsy mandray anjam amin'ny ffidianana nasionaly, isam-paritra sy ifotouy ny antoko politika. Very ny sata amin'ny maha-antoko politika azy raha toa izy ka tsy manolotra, irery na miamka amin'ny antoko polibka hafa, olon-kofidiana amin'ny fifidianana roa mifanesy mitovy sokajy. Ny Minisitra miadidy ny Ati-tany no memoaka ny didim-pitondmna mikasika ny fanatoanana ny fimketana an-tsorabra. Ny fangatahana fanafoanana io didim-pitondrana io dia mampihantona azy.
And. 19 - Adidin'ny antoko politika ny :
* mandala ny Lalàmpanorenana, ny didy aman-dalàna manan-kery ;
* manentana ny fiainana ara-politika eo anivon'ny Firenena ;
* mandray anjara mavitrika amin'ny fitarihana ny fiainam-bahoaka ;
And. 20 - Noho ny amin'ny tanjon'izy ireo, ny antoko politika dia tsy maintsy mandray anjara :
* amin'ny fampandrosoana ny demokrasia sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ;
* fanamafisana ny fahaleovantenam-pirenena sy ny rafitr a repoblikana ;
* fitandroana ny firaisam-pirenena, ny maha-iray tsy hanombinana ny Firenena sy ny maha-malagasy ;
* ny fiarovana ny fahafahana fototra sy ny zo maha-olona ;
And. 21 - Amin'ny fanatanterahana ny andraikitr'izy ireo, ny antoko politika dia tsy maintsy manohitra izay fihetsika rehetra mety hitarika amin'ny fanavakavahan-bolon-kodibra, ny fankahalana vahiny, ny fampirisihana sy/na fampiasana herisetra.
And. 22 - Ny fivorian'ny antoko polilita dia eo ambaniny lalàna manan-kery mikasika ny fivoriana ankalamanjana.
And. 23 -Tsy misy antoko politika omena alalana hanebaka na hikolokolo rafitra aramiaramila, na ny mifandraika amin'izay na izay mety ho fikambanana reheb manohintohina ny firaisam-pirenena sy ny maha-iray tsy hanombinana ny tanin'ny Repoblika sy ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny, reha tsy izany dia very ny sata maha-antoko polibka azy.
And. 24 - Ny antoko politika dia tsy maintsy manana ireto manaraka ireto na haloa vola na tsia :
* ny toerana misy ny foibeny ;
* ny fitaovana sy kolakoja ho amin'ny fandreharahana sy amin'ny fanatanterehana ny andraikiny ;
Ireo antoko politika dia afaka ihany koa manonta izay tahirin-kevitra na gazety ao anatin'ny fanajana tanteraka ny lalàna manan-kery.
And. 25 - (...)
And. 26 - (...)
SOKAJY FAHATELO
NY FAHARAVAN'NY ANTOKO POLI TIKA
And. 27 - Rava ny antoko politika araka ireto fepetra voalaza manaraka ireto :
* ny tsy fanajana ireo fepetra fisiana voalazan'ity lalàna ity ;
* (...)
* raha toa ka tsy mandray anjara amin'ny fifidianana roa mifanesy araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha 18 amin'ity lalàna ity ;
* (...)
And. 28 - (...)
TOKO FAHAROA
NY FAMATSIANA ARA-BOLA IREO ANTOKO POLITIKA
SOKAJY VOALOHANY
NY FIDIRAM-BOLAN'NY ANTOKO POLITIKA SY NY FEPETRA AHAZOANY IZANY
And. 29 - Amin'ny alalan'ny famatsiam-bolany manokana na famatsiam-bola ivelany no entiny hanatanterehan'ny antoko politika ny asany
And. 30 - Ny famatsiam-bola ivelany manokan'ny antoko politika dia azo avy amin'ireto manaraka ireto :
ny sara-pilatsahana ho mpikambana sy latsa-kemboka aloan'ny mpikambana isan-taona ;
ny fanomezana sy fanolorana eken'ny lalàna ;
ny vokatry ny asa eken'ny lalàna ataon'ny antoko politika ;
ny fanomezana an-tsitra-po avy amin'ireo mpikambana ;
ny vola azo avy amin'ny fitantanana sy fananana irao fananana manaraka sy fananana mirahy ;
And. 31 - Ny famatsiam-bola ivelany azon'ny antoko dia avy amin'ireto manaraka ireto :
ny fanampiana azo avy amin'ny fiaraha-miasa amin'ny antoko politka eto antoerana sy/na avy any ivelany ;
ny findramam-bola araka ny didy aman-dalana manan-kery ;
ny fanomezana sy fanolorana ;
ny fanohanana sy fanampiana hafa avy amin'ny fanjakana ;
ny fanohanana ara-bola avy amin'ireo mpiray ombon'antoka ;
And. 32 - Ny antoko politika no memetra malalaka ny saran'ny latsa-kemboky ny mpikambana ao aminy, ny fandraisana anjara ary ny saran'ny karatra maha-mpikambana.
And. 33 - Ny fitambaran'ny fananan'ny antoko politika, azo avy amin'ny fanomezana sy ny fanolorana dia tsy maintsy hanaovana fanambarana isan-taona any amin'ny Birao mahaleo-tena miady amin'ny kolikoly.
And. 34 - Ny fitambaran ny fanomezana sy ny fanolorana avy any ivelany, avy amin'ny isam-batan'olona, na avy amin'ny fikambanana mizaka ny zon'ny isam-batan olona ho an'ny antoko politika dia tsy mahezo mihoatra ny iray ampahatelon ny totalin ny famatsiam-bola anatin'io antoko io ho an'ny antoko politika iray.
And. 35 - Ny famatsiam-bola avy amin'ny Fanjakana omena ny antoko politika dia miankina amin'ny fanajana ireo fepetra fananganana sy hsian'ny antoko politika. Avo roa heny araka ny isan'ny mpikambana sy ny isam-bato azo tamin'ireo fifidianana farany ny mari-bola omena ny antoko.
And. 36 - Ny antoko izay maharakotra ny Firenena ihany no afaka mahazo ny famatsiambola avy amin'ny Fanjakana voalazan'ity lalàna ity. Tsy mahazo izany ny rantsana ifotony na ny rantsana isam-paritra.
SOKAJY VOALOHANY
NY FOMBA FITANTANANA
And. 37 - (...)
Na izany aza, dia tsy maintsy aseho amin'ny fomba mangarahara ny niavian'ny vola, ny nampiasana azy ary ny rafitra mitantana izany.
And. 38 - Tsy maintsy apetraka amin'ny fomba hentitra ny fitantanana mangarehara ny famatsiam-bola. Noho izany, ny antoko politika dia tsy maintsy mamoaka isan-taona ny tatitry ny fitantanam-bolany ao amin'ny Gazeti panjaLàn'ny Repoblika.Tsy maintsy manao ny tatitra ara-bola any amininy Ministera miedidy ny Ati-tany ihany koa izy ireo.
TOKO FAHATELO
NY FIFANOLANANA
And. 39 - Ny Filankevim-panjakàna no mahefa mitsara ny olana rehetra mitranga eo amin'ny rafitra foiben'ny antoko politika sy ny Fanjakàna.
And. 40 - Amin'ny ankapobeny, ny Filan-kevim-panjakàna ihany koa no mahefa mitsara ny fifanolanana rehetra vokatry ny fampiharana ity lalàna ity.
And. 41 - Ny paikady ampiharina dia izay voalazan'ny lalàna laharana 2004-036 tamin'ny 1 oktobra 2004 mikasika ny fandaminana, ny andraikitra, ny fampandehanana, sy ny paikady ampiharina eo anoloaniny Fitsarana Tampony sy ireo Fitsarana telo izay mandrafitra azy.
TOKO FAHAEFATRA
IREO FEPETRA TETEZAMITA SADY FARANY
And. 42 - Ireo antoko politika niforona amin'ny vaninandro amoahana hanan-kery ity lalàna ity dia tsy maintsy manaraka antsakany sy andavany ireo fepetra voalaza ao anatiny.
And. 43 - Ireo antoko na fikambanana politika izay misy ankehitriny dia manana fepotoana tetezamita enim-bolana anarahany ireo fepetra voalazan'ity lalàna ity.
Dila io fe-potoana io, dia very tanteraka ny fisian'izy ireo araka ny lalàna.
And. 44 - Ny didim-panjakàna no hametra ny famatsiam-bola voalohany avy amin'ny Fanjakana omena ireo antoko miforona ara-dalàna araka ity lalàna ity. Ny fepetra fanomezana izany izay voalazan'ireo andininy faha-34 ka hatramin'ny faha-36 voalaza etsy ambony dia tsy mbola ampiharina mandra-pahatongan'nyfifidiananamanaraka.
And. 45 - Didim-panjakana no hametra ny fampiharana ity lalana ity raha ilaina izany.
And. 46 - (...)
And. 47 - (...)
And. 48 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika izao lalàna izao. Ho tanterahina izao fa lalàm-panjakana.




Fetiben'ny Betsimisaraka
Lohalaharana ny fihinanana amin'ny ravina
Anisan'ny zavatra tena anavahana ny foko betsimisaraka ny fihinanana amin'ny ravim-potsy na ravinala. Amin'ny andro manan-tantara, na fanaovana tsaboraha, na ny fetim-pianakaviana sy ny maro hafa ireny no tena ahitana soritra ity fomba ity. Andro sisa no isaina, ho tonga ny andron'ny noely sy ny taom-baovao. Ny fetin'ny faran'ny taona sy ny fankalazana ny taom-baovao no tena ahitana soritra ny fihinanana amin'ny raviny ity aketo Toamasina.
Manomboka amin'ny 1 janoary 2009 izao, vaky ireo karazana fety maro samihafa ataon'ireo fikambanana maro mijoro eto Toamasina. Amin'ny maha Betsimisaraka antsegna, mazava ho azy fa ny fihinanana amin'ny raviny no entina hanamarihana ny fety mba ho fanomezam-boninahitra ny kolontsaim-paritra izay tsy itovizana amin'ny faritra hafa. Mba ho fiatrehana an'izany rehetra izany, hisy izao ny fanaraha-maso amin'ny fanapatapahana ny ravim-potsy na ravinala amin'ny zavatra tsy misy dikany.Tombony betsaka amin'izany ny fiarovana ny tontolo iainana no sady fiarovana ny kolotsaina mba hipetraka mandrakariva amin'ny olona. Ny fihinanana amin'ny raviny, midika ny fanarahana ny kolotsaina napetrak'ireo razam-be taloha.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana eto, fa ho anao izay manana olon-tiana Betsimisaraka, ka mbola tsy mahay mihinana amin'ny raviny : dieny izao mianara sahady fa sao ho menatra eo imason'ny olona eo ny tena. Ilaina ny fahaizana mifehy tsara ny kolotsaim-paritra isany avy, mba hipetraka ho lova ho anao sy fampitomboana ny efa fantatrao. Tsy misy ny kolotsaina ratsy, fa ny tsy fahazarana no mateti-pitranga.




Ravalomanana Marc
Tonga ny moton'ny ben'ny tanàna
Tonga tao amin'ny seranantsambon'i Toamasina ny alakamisy faha 18 desambra, ireo moto nampanantenain'ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ho an'ireo ben'ny tanana rehetra eto Madagasikara. Fiaraha-miasan'ny UNICEF any Danemark sy ny fitondram-panjakana malagasy no nahatonga ireo moto ireo teto Madagasikara. Ry zareo avy ao amin'ny UNICEF Danemark, no nanao ny fividianana ireo moto ireo tany Japon, fa ny fitondram-panjakana malagasy kosa no niantoka ny vola nahazoana azy ireo. Mitentina Ar 7 miliara no teti-bidin'izy ireto. Mitondra ny marika HONDA XL 125 ireo moto vao tonga teto Toamasina ireo, ka kaontenera miisa 19 no nasiana azy ireo, izay ny sambo MSC Aurora no nitondra azy ireo niala avy any Danemark. Efa tomombana avokoa ny kojakoja rehetra mandrafitra ireo moto ireo, fa ny guidon sy ny kodiarana sisa no apetraka amin'ny fitoerana, rehefa tonga any amin'ny orinasa hanaovana ny fitsinjarana azy ireo. Avy hatrany dia nalefa niakatra ho any Antananarivo ny andron'io alakamisy io ihany ireo moto ho an'ny ben'ny tanana ireo, ka fiara vaventy miisa 19 ihany koa no nitondra ireo kaontenera ireo.
Marihina, fa tonga nandray ireo moto ireo tao amin'ny seranatsambon'i Toamasina, ireo solontenan'ny fitondram-panjakana avy any Antananarivo, notarihin'ny directeur des concours financiers de l'Etat, Andrianarivo Benjamin, sy ny lehiben'ny faritra Atsinanana, Andriamorasata Julien.




Ifaty
Toerana iray ankafizin'ny mpizahatany
Telopolo kilaometatra miala ao Toliara no misy an'Ifaty. Toerana izay ahitana moron-dranomasina, hahafahan'ireo mpitsidika miala voly. Maro dia maro tokoa ny mpizaha-tany mitsidika azy, izay anisan'ny mamelona ny ankamaroan'ny mponina ao.
Volana janoary hatramin'ny volana mey no tena maha-be mpitsidika an'Ifaty. Manomboka eo amin'ny volana mey dia voamarik'ireo mponina fa Italianina no tena maro an'isa. Tsy dia betsaka izany rehefa novambra sy desambra.
Ar 3 arivo ny saran-dalana avy ao Toliara raha hihazo an'Ifaty. Kamio manodidina ny 15 sy mazda 6 no mifarimbona mitatitra ny mpandeha. Ankoatra ny varobarotra isan-karazany, dia anisan'ny fidiram-bolan'ny mponina ao Ifaty ny manotra, mandrandrana, mitondra vahiny amin'ny lakana. Ar 2000 ny manotra raha Malagasy, ary tafakatra hatrany amin'ny Ar 5000 izany ho an'ny vahiny. Sahala amin'izay ihany koa ny mandrandrana. Ar 1 alina isaky ny olona kosa ny mitaingina lakana. Raha miaraka amin'ny sakafo izany, dia mahatratra Ar 5 arivo sy 2 alina any ho any.
Mbola olana sedrain'ny mponina ao Ifaty anefa ny haratsian'ny lalana. Fototra iray mampikatso ny firoboroboan'ny toerana. Sarotra dia sarotra ny fakana ireo entana ilaina andavanandro hamatsiana ny vahiny. Isan'andro dia tsy maintsy misy fiara iray farafahakeliny, mikatso anaty fasika, na simba vokatr'io faharatsian'ny lalana io.
Ankoatr'izany, dia mbola fahasahiranana ho an'ny mponina ihany koa ny tsy fahazoana rano fisotro madio. Tsy mba misy paompin-drano ao an-toerana, fa vovo avokoa no hatsakan'ny mponina. Raha tsy masira araka izany ny rano azo ao, dia somary mamimamy.
Miandrandra vahaolana ireo mponina ao Ifaty, satria tampina ny asa fivelomana raha tsy voavaha haingana ny faharatsian'ny lalana.




Mahamenatra
Te-hiaka-dapa sa maniry ny mba ahazo famatsiam-bola ho an'ny antoko politika ? Tsapa io nandritra ilay fihaonana natao teny Iavoloha farany teo nandinihana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Nipoitra tany amin'ny toerana niafenany avokoa mantsy ireo anarana antoko politika maro samy hafa. Eny misy ny mbola tsy re mihitsy hatramin'izay, ary tao ihany koa anefa ireo efa noheverina fa maty, saingy nitsangana ankehitriny fa hisy dinika hiarahana amin'ny filoha Ravalomanana.
Mahamenatra, satria misy tsy tahotra tsy henatra ny misandoka anaran-antoko tany aloha tany, nefa tsy tao amin'io fivoriana io ny tena mpikambana. Endrika iray mandoto ny rivotra politika eto amintsika ny tahaka izao. Niraraka izany ilay volabe Ar 400 tapitrisa avy any amin'ny filoha, izay volam-panjakana nambara fa atolotra azy ireo. Faly ny maro, satria mba ahazo ny anjarany ireo milaza ho antoko politika sasany.
Hitaiza sy hanabe vahoaka, ary hametraka ny tetikasany eo amin'ny fianam-pirenena ny antoko. Ny tsapa anefa, dia vitsy tamin'ireo antoko nandray anjara no mba nahavita nanao izany. Tsy ho gaga isika raha toy izao ny sehatra misy an'i Madagasikara raha ity lafiny iray ity no asian-teny. Mpivady sy ny zanany no manangana antoko, dia efa misalotra ho antoko politika ry zareo. Misedra fifidianana aza tsy sahin'ny hafa atao. Ny foto-kevitra hijoroany tsy mazava, fa ilay anarana no zary entina hitadiavam-bola etsy sy eroa. Tsy ho gaga isika raha maro ny mpikaramanady politika eto Madagaikara. Sa izay tokoa no atony hametrahana iny lalàna hifehy ny antoko politika iny ?




Mijapy TGV ny mpanohitra
Velom-bolo ny antoko mpanohitra rehetra, fa niroso hiara-dia hiseho vahoaka amin'izy ireo ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Ity ben'ny tanàna ity tokoa mantsy sisa hany fanantenan'izy ireo afahana mamory vahoaka eto an-dRenivohitra.
Vonona ity tovolahy kely vao erotrerony ity, hanao sorona ny ainy, hitarika iretsy antoko politika efa goaika antitra hisedra ny mafy rehetra amin'ny hambara ho tsindry hazo lena ataon'ny mpitondra ankehitriny. Ny profesora Zafy Albert no tsy tazana tetsy amin'ny Hotel La Rotonde ny alarobia teo, fa ny ankoatra izay, dia nifanotrona tamin'ity ben'ny tanànan'Antananarivo ity avokoa. Toa mampahatsiahy ny tenin'ireo olona maro nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna teo iny ny tranga ankehitriny, izay milaza fa ny mpanohitra no ao ambadiky i Andry Rajoelina.
Manodidina ny 65% ny vato azony nahatonga azy ho tafakatra eo amin'io toerana io. Mihasarotra ny hambara ho ankivy mahazo ity ben'ny tanàna ity eo amin'ny lafiny maro. Ampy izay ho izy, ka hiroso amin'ny fananganana ny "Kianjan'ny demokrasia" ny lehilahy. Ny teo amin'ny kianjan'ny 13 mey no nambara ho kianjan'ny demokrasia hatramin'izay, saingy io hiarahana mahita io ny asa goavana atao eo amin'ny fanarenana ny lapan'ny tanàna.
Nitady toko ka sendra vato
Any amin'ny andry TGV avokoa no maka hery ny antoko rehetra. Fitakiana izay hitoviana no nahatonga ny fiarahana. Raikitry ity, fa tsy misy mihemotra intsony hoy ireo antoko politika mivondrona ao amin'ny mpanohitra ireo. Tsy ny fisokafan'ny tele VIVA ihany anefa no fototry ny firaisana, fa ny zo fototra ahafahana miteny amin'ny haino aman-jerim-panjakana. Ny tsy fahaiza-mitantanana ataon'ny mpitondra ankehitriny amin'ny lafiny maro, dia isan'ny antony amin'izao hetsika izao. Iarahan'ny maro mahalala anefa fa maro amin'ireto mpanohitra mitambatra ireto no mbola milaza fa tsy filoham-pirenena i Ravalomanana. Ny hafa dia ny fitakiana ny fialany eo amin'ny fitondrany no tanjony. Tsy tanteraka anefa ireo rehetra ireo, satria tsy taitra tamin'izany ny mponina teto an-dRenivohitra. Mpanao politika efa teo amin'ny fitondrana avokoa ireo ka efa hita ny nataony hoy ny hafa. Tsy vitsy kosa anefa ireo mankasitraka ny firaisan-tsaina eo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao politika toy izao. Nitady toko tokoa ny mpanao politika ka sendra vato. Izay nahita dia nanambara fa mijapy TGV ny mpanao politika efa tsy nahazaka vahoaka.
Hanaiky ve ny TGV ?
Etsy ankilany, dia be no misalasala amin'izao fidiran'i Andry Rajoelina ao anatin'ny vondromben'ny mpanohitra izao. Toa lasa fitaovana ho an'izy ireo mantsy ity filoha mpitarika ny TGV ity. Iza no tsy mahalala fa mbola tanora i Andry Rajoelina, ka raha tojo ny tanjona hiriany ny sasany amin'ny mety ho fivadihan'ny toe-draharaham-pirenena, moa tsy olon-kafa ve no hiravaka ny vanginy ? Toa mbola kely taona ihany mantsy ny lehilahy. Tsy zoviana amin'ny maro, fa misy antoko somary ratsy toerana teto amin'ny firenena ihany tafara-dia aminy amin'izao famondronan-kery izao. Ny mitambatra anefa vato, ka ho hita eo izay hivadika ho fasika amin'ny ora farany.
Izay manan-tsofina aoka hiaino
Miha-mafana andro aman'alina ny fianam-pirenena eto amintsika. Tsy ho takona afenina ireo hetsika isan-karazany ireo, na toa aza ka tsy omena ny haino aman-jerim-panjakana ny tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra. Mety hisy akony amin'ilay fivoriana iraisam-pirenena izay ho atao eto amintsika manomboka ny taona ho avy io ity raharaha ity. Tokony tsy hisy hery hinia hikipy manoloana izao savorovoro izao eto amin'ny firenena. Izay manantsofina aoka hiaino, ary hisy vaha-olana matotra irasina. Tsy hisy ahita tombontsoa amin'ny mety mbola hisian'ny korontana eto. Ny vy tsy mikitrana irery fa ao raha. Aoka ahatsapa ny mpitondra, fa misy taraina hafa maharary ny fiaraha-monina any. Ny mpanao politika hafa ihany koa tsy ahay hametraka ny tena tombontsoam-pirenena. Miandry izay ho avoakan'ny ampitso isika rehetra.




Toamasina
Lehilahy niova ho saka
Nisy tsy nifanarahana tampoka izy roa teny ambony posy. Nilaza izany ralehilahy no niova ho saka tampoka, ary nandrangotra ny tarehin'ilay mpivarotena. Tantara niseho vao tamin'ny herinandro teo. Toa nahatsikaiky ihany ny zava-nitranga tamin'ity vehivavy iray manao asan'ny mpampanofa vatana eto an-drenivohitr'i Betsimisaraka. Raha nandeha nanao ny asa fanaony amin'ny alina, amin'ny fampanofana vatana ity vehivavy iray, no nifanojo tamina lehilahy nitady vehivavy hiarahana mandry amin'ny fanaovana ny filan'ny nofo. Rehefa vita ny fifanarahana rehetra, ka raikitra fa Ar 20 000 (100 000 fmg) no takalon'ny fiarahana, dia nandray posy izy roa hamonjy efitrano fatoriana eny amin'ny hotely lehm iray eny Anjoma. Rehefa tonga teny akaikin'ny Noor Hotel taloha, no nilaza tamin'ity vehivavy niarahany razazalahy ka nanao taminy hoe :"ianao toa atahorako". Tapitra izay ; niova ho saka tampoka ilay lehilahy ka avy hatrany dia nandrangotra ny tarehin-drazazavavy.
Niporitsaka niala ilay posy ilay lehilahy nivadika ho saka, ka nenjehin'ilay mpitondra posy. Tsy azon'ity farany ilay saka, fa izy indray no nidona tamin'ny pôtô. Ilay mpivaro-tena voarangotra tarehy, ilay mpitondra posy nidona tamina pôtô. Samy voa izany izy roroa ireo. Aza mahavoa ny tahaka izany. Ny saka kosa tsy hita hatramin'izao !




Resaka Andry Rajoelina
Sangodim-panina
« Tsy misy izany didy fampisamborana mikasika ny Ben'ny tanànan'Antananarivo izany » hoy ny minisitry ny fifandraisana omaly antoandro. Novoizina nandritra ny tapak'andro maraina omaly ny resaka fikasan'ny fitondrampanjakana hisambotra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Araka ny resaka tamin'ny fampahalalam-baovao dia efa hatry ny alakamisy alina no nitrangan'izany zavatra izany. Ny antony niely moa dia ny fanasana nataon'i Andry Rajoelina tany Tsiadana-Ampasanimalo ary indrindra ny tao amin'ny La Rotonde, izay nihaonany tamin'ny karazan'olona maro solontenan'ny fiarahamonim-pirenena sy mpanao politika.
Omaly antoandro anefa dia nanambara ny minisitry ny Fifandraisana, fa tsy nisy izany didy fampisamborana izany fa tsaho no betsaka. Kanefa moa ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina dia nanao fanambarana omaly maraina ary nampahafantatra fa iharan'ny fanenjehana maro izy efa hatry ny ela, noho izany dia mangataka fanazavana avy amin'ny fitondrampanjakana ary mametraka fanontaniana amin'ny filohampirenena izy : « Inona loatra re ny zavatra nataoko no misy ohatra ny « haine » na fankahalana ny tenako sy ny orinasako ary izay zavatra manodidina ahy. Ny fitiavana no notoriako hatrizay hoy izy, fitiavana an'Antananarivo, fitiavana tanindrazana ary fitiavana handray andraikitra ; fitiavana izay tsy mijery hafa tsy ny hahasoa ny besinimaro ».
Raha nanao tatitry ny filankevitry ny minisitra anefa ny filohampirenena omaly antoandro dia tsy niresaka mihitsy mikasika ity fikasana hisambotra an'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo ity. Toa zavatra hafa mihitsy no noresahany sy nampitainy tamin'ny mpampahalala vaovao. Toa te hilaza amin'ny vahoaka ny filohampirenena hoe tsy manana zavatra manahirana hafa tsy ny raharaham-bahoaka sy izay hanala fahasahiranana ny vahoaka any ambanivohitra rehetra any izy fa tsy mijery izay raharahan'olon-tokana any. Toa te hampahalala an'ny rehetra izy fa mijery ny mpandraharaha rehetra izy, indrindra ny mpandraharaha tanora. Toa tena lavitra ny sainy mihitsy i Andry Rajoelina, tompona orinasa sady Ben'ny tanànan'ny renivohitr'i Madagasikara sy ny olana mianjady aminy. Tena sangondim-panina politika tokoa ity Izao moa dia fantatra fa mitsangana indray ity atao hoe « cellule de crise ». Toa feon-kira efa ntaolo izany. Raw
Fikasana fisamborana
« Tsy voalohany sady tsy ho farany ho samborina aho », hoy i Andry Rajoelina. « ...Betsaka ireo olana nianjady nandritra ny herintaona latsaka izao... izay azo lazaina fa avy any amin'ny fitondrampanjakana avokoa. Ankehitriny moa dia mikasika indrindra ny fanakatonana ny televiziona VIVA ; izay azo lazaina hoe fanapahankevitra jadona nataon'ny fitondrampanjakana farany mikasika ny orinasa na ny zavatra manodidina ahy... ». Araka ny fahitan'i Andry Rajoelina azy dia voalaza fa « nanakorontana ny fandriampahalemana teto amin'ny tanànan'Antananarivo ny fandefasana oronan-tsary iray. Ny fanontaniako hoy izy dia : iza no manakorontana ny sain'ny vahoaka, ny sain'ny mponina amin'izao fanakatonana izao. Aiza ny fahalalahana hiteny na liberté d'expression izay notakiako ».
Asa moa izay tena marina fa nanambara ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa eo anatrehan'ny fikasana hisambotra azy dia tsy voalohany sady tsy ho farany amin'ireo olona samborin'ity fitondrana ity ny tenany. « Tsy nanao ratsy ny tenako hoy izy, tsy nangalatra, tsy namono olona fa nitaky ny zo sy zavatra takian'ny be sy ny maro ».
Raha tsorina dia niantso ny vahoakan'Antananarivo sy ireo tia tanindrazana, tia fahalalahana ny Ben'ny tanàna, ho vavolombelon'ny asa sy fitiavana nasehony an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy izy amin'izao jaly mahazo azy izao.




Fisamborana ?
Resabe teto an-dRenivohitra omaly ny feo niely tetsy sy teroa fa hosamborina hono ingahy Andry Rajoelina. Iza no hisambotra azy, ary inona no antony ? Io no feo niraradraraka tetsy sy teroa omaly tontolo ny andro. Mialoha ny nahafantarana ny marina avy amin'ny Fanjakana dia efa niainga sahady ny tora-po teny rehetra teny, ka zary tsy voafehy ny tendrom-po tsy mba namana. Hikohamaina aza atao, maika fa hisy rehoka, hoy ny fomba fiteny izay. Tsapa tamin'io omaly maraina io, fa misy mihitsy ny andian'olona maniry mafy ny hisian'ny korontana eto amin'ny firenena. Iny resaka iny no làlana iray entina hanetsehana ny vahoaka teto Iarivo, nefa soa fa mahay mandinika ny vahoaka ka samy namakafaka ny tena marina vao mandray fepetra.
Toe-javatra mampalahelo hatrany no indro fa miseho eto amintsika, vokatry ny tsy fahaiza-mandinika eo amin'ny ankolafin-kery samy hafa. Iza no tsy mahatsapa ny vokatry ny fihetsika tsy voahevitra teto amin'ny firenena hatramin'izay. Ny taona 1972, dia io mbola tsy voaharina hatramin'izao io ny fahapotehana vokatry ny korontana tamin'izany. Teo ihany koa ny hambara ho tolona tamin'ny 1991 ireny, izay nahapotika ny toe-karena Malagasy. Ny raharaha 2002 izay vao niarahana nahita ny vokany. Dia izao indray no mbola misy maniry ny hiverenan'ireny rehetra ireny. Be ireo very seza vokatry ny korontana hatramin'izay, ka zary tsy mahita ny ho harapaka intsony ankehitriny. Atao avokoa izay hetsika mifanohitra amin'ny demokrasia rehetra eto, sao mba tafaverina amin'ilay toerana be voninahitra. Dia ireny hita omaly ireny ny feo ninia nahely tetsy sy teroa, mba hanairana ny hambom-pon'ny mpifidy eto an-dRenivohitra. Mino isika fa samy ahay hitandrina ny soatoavina Malagasy isika rehetra, ka ny filaminana no ahazo vahana eo amin'ny fiainam-bahoaka eto amin'ny tanàna.




Dadabe Noely roa
Ny mizara kilalao sy vato mamy no nahafantarana ny dadabe Noely hatramin'izay, dia misy kosa dadabe Noely mizara hevitra any amin'ny vahoaka ankehitriny. Dadabe Noely roa izy ireo, na dia heverina fa tsy mbola dadabe aza raha ny hatanorany no jerena.
Ny dadabe noely iray, dia maneho hevitra matetika rehefa miseho amin'ny haino aman-jery. Isaky ny alahady hariva ihany koa dia miteny izy. Ny filoham-pirenena io. Manambara ny ezaka natao sy ny tsy maintsy mbola hatao ny lehilahy. Fa nisy dadabe noely hafa ihany koa saika miteny foana tao ho ao, satria angaha voan'ny tsindry hazo lena ny orinasany, ka io no làlana nidirany ho isan'ny lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny antoko mpanohitra. Na dia maniry toy ny bozaka aza ny fanehoan-kevitra politika isan-karazany, dia ny azy mirahalahy mianaka ireo no tena hifantohan'ny sain'ny maro. Omaly dia samy nanakoako tamin'ny haino aman-jery indray ny feon'izy mirahalahy ireto. Ny an'i Andry Rajoelina tamin'ny onjam-peo tsy miankina ny atoandro, ary ny an'ny filoham-pirenena kosa tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana, izay misy ny "tenin'ny filoha" isaky ny alahady. Hevitra samy manana ny azy ireo, saingy ny vahoaka kosa no mandray izay tandrify azy. Na dia tsapan'ny maro aza fa misy afo miotrika eo amin'ny raharaham-pirenena ka miandry ny rivotra hitsoaka hampirehitra azy, dia ny fety aloha izao no masaka ao amin'ny fiainan'ny vahoaka. Ny antony, dia tsy hisy ampiditra iray kapoaka any anaty vilaniny ny fifandirana tsy misy farany. Asa aloha fa ny efa vita aza toa be ny nanenina, koa iza indray no mbola ho voasariky ny adilahy politika tsy misy farany eto ? Dia miankina amin'ireo dadabe noely roa ireo ve no ho avy politika eto ? Asa fa mirary fety sambatra e !




TIM Analamanga
Tafapetraka ny birao vaovao
Vita ny kongresy rezionaly nataon'ny antoko TIM ny faran'ny herinandro teo. Vita ihany koa ny fe-potoana niasan'ireo birao teo aloha, ka nandray ny toerany ny birao vaovao. Tsangan-tanana teo anoloan'ny mpizaika rehetra, no nandaniana ireo birao vaovao teo anivon'ny TIM faritra Analamanga ny sabotsy teo. Lany tsy nisy nitsipaka ho filoha i Fidy Ratsimbazafy. Fantatry ny maro tsara izy io, satria filohan'ny faritra Analamanga ankehitriny. Ny filoha lefitra voalohany kosa, dia ny depiote Robert Razaka, ary ny filoha faha-roa ny kesitora etsy Tsimbazaza, Mamy Rakotoarivelo. Ny SG kosa dia i pasitera sady depiote Ravelonanosy Mamitiana, ary ny mpitantam-bola dia Randriamanantenasoa Rodolphe. Fanamby goavana no napetraky ny filoha vaovao, fa tsy maintsy ho lohalaharana amin'ny lafiny maro eto amin'ny firenena ny TIM Analamanga.
Tsipaipaika : 13 tapitrisa Ar
Hifanome tanana, fa tsy hifamingana ireo mpikambana rehetra miainga any amin'ny foko-TIM ary mipaka any amin'ny ambaratonga isan-tsokajiny. Hatevenina ny hidiran'ny olona ho ao amin'ity antoko ity, ary hiasa fa tsy natao hiatrika fifidianana fotsiny. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana ny tsipaipaika rehetra ho entina miatrika ny asa isan-karazany, ka vola mitentina Ar 13 tapitrisa no voangona io sabotsy maraina io tetsy amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano. Ny filohan'ity antoko ity Ivan Randriasandratriniony no nitarika ny fotoana.




Madagasikara sy Arabie Saoudite
Lasa omaly ny masoivoho malagasy, Patrick Ramiaramanana
Lasa any amin'ny firenena mpamokatra solika i Patrick Ramiaramanana, rehefa niato tamin'ny naha-minisitra azy nandritra ny volana vitsy. Andraikitra lehibe no miandry ity masoivontsika ity any Arabie Saoudite, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanafaran'ny fanjakana solika any ivelany.
Omaly no nandao an'i Madagasikara i Patrick Ramiaramanana. Tsy zoviana amin'ny maro ny lehilahy, satria nitana andraikitra goavana hatrany teto amin'ny firenena. Notendrena ho PDS teto Iarivo, ary lany ho ben'ny tanàna rehefa nilatsaka ho fidiana teto an-dRenivohitra. Notendrena ho minisitry ny Angovo, ary namaha ny olana maro momba ny delestazy. Tonga avokoa ireo milina maro izay nafarany, saingy lany ho depiote tao amin'ny boriborintany voalohany izy, ary notendrena ho minisitry ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina ary ny Fialam-boly. Rehefa noesorina tamin'io andraikitra io ny lehilahy, dia izao nalefa ho masoivohontsika any ivelany izao indray.




Herim-panoherana
Hanao fotoam-bavaka iraisana etsy Mahamasina ?
Eto no ivon'ny hetsika rehetra momba ny raharaham-pirenena. Izay mitranga eto, dia manaraka avokoa ny any amin'ny faritany. Taorian'ny zava-nisy ny herinandro lasa teo, dia tazana eto avokoa ireo mpitarika politika rehetra avy any amin'ny faritra samy hafa. Ny antony, dia miandry izay hitranga eto, ka hanamafy tosika izay hiseho.
Raha vao nivory niaraka tamin'ny mpanohitra tokoa ingahy Andry Rajoelina, dia efa tafapaka any amin'ny faritra samy hafa sahady izany. Misy mihitsy ny mikasa ny hametraka ny fikambana TGV any amin'ny faritra any, na dia mbola tsy tonga amin'izany aza ny tanjon'ny filoha mpanorina azy.
Ny an'ity farany aloha hatreto, dia ny fitakiana ny hanokafana ny fahita lavitra izay azy no maika. Eo ihany koa ny famelàna azy hiasa am-pilaminana sy ny ahafahan'ny rehetra maneho hevitra tsy misy sakana na fisamborana. Ny fanjakana kosa etsy ankilany, dia toa miandry kendritohina izay ho fihoaram-pefy ataon'ingahy ben'ny tanàna. Indrindra fa taorian'ny nilazany fa hametraka ny kianjan'ny demokrasia eto an-dRenivohitra izay izy ireo.
Atomboka amin'ny vavaka
Vita izay ny fampahafantarana ny fitambaran'ny hery rehetra amin'ny vahoaka. Hitohy ny hetsika rehetra araky ny efa nambaran'izy ireo tamin'ny haino aman-jery isan-karazany. Heno izao fa mety, hanao fotoam-pivavahana iraisana ireto vondromben'ny mpanohitra ireto amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao. Vavaka natao ho an'ny firenena izy io, ary ny fanirian'ny mpikatroka sasany dia ho atao eny amin'ny kianjan'ny Mahamasina. Misy kosa anefa no manambara fa aleo aloha entanina amin'ilay fanehoan-kevitra goavana ny mponina vao miroso amin'io. Fanirian'ireo antoko politika sasany ireo, izay ho entina ao anatin'ny fivoriany amin'ity herinandro ity.




Ahodino ho vola
Manankarena isika eto Madagasikara, ary be no milaza fa sarotra ho an'ny Malagasy ny hisian'izany fahasahiranana ara-tsakafo izany. Mitombina io raha ny fahitana ny fitobaky ny sakafo namidy nandritra ireny fety ireny no jerena. Ny vola indray no tsy maharaka, hoy ny fomba fiteny.
Mbola be anefa no tsy afa-po amin'ny vidim-bokatra azony, ka mitaraina lava fa tsy mahavelona ny asa fambolena. Mety ho marina izany amin'ny hafa, nefa azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ny saina, manita-kevitra amin'ny zavatra hafa. Manangana orinasa madinika na salasalany, izay afaka manodina ireny voankazo ireny ho sakafo ambifotsy. Vola azo vetivety io, ary azo atao tsara ny manondrana izany any ivelany. Eny fa ireny anana ireny aza, dia vidian'ny vahiny lafo any ivelany any. Afaka mandranto fahaizana ao anatin'ny volana vitsy ihany koa ny tantsaha mamadika ireny vokatra ireny ho sakafo azo tehirizina. Be ireo vahiny no manafatra vokatra eto Madagasikara, raha tsara kalitao ny ilay entana. Inona no tsy hanaovantsika izany ? Raha ny tsapa dia matahotra ny ankamaroan'ny olona ny mindrana vola any amin'ny banky. Ny zana-bola alain'ny banky dia efa mety hihena, fa ny fahasahiana eo amin'ny tsirairay sisa andrasana. Ahodino ho vola ny vokatra, fa ny ankamaroan'ireo orinasa goavana eto amintsika dia niainga tamin'izany avokoa. Raha tsy nahitana tombony ny fambolena, dia mikaroha zavatra hafa ho fidira-mbola fanampiny e.




Mpiasa an-trano
Avy any Ambatolampy ny 65%
Zaro amin'ny làlana tokony ho izy ny ankizy. Manana adidy lehibe amin'io ny ray aman-dreny, ka tsy tokony atao an-kinanga. Mazàna dia ny ankizy mitoetra irery amin'ny ray na reny, vokatry ny fisarahan'ny mpivady no tena hipetrahan'ny fahasahiranana noho ny tsy fahampian'ny fitiavan-dray sy reny amin'ilay zaza.
Na mitoetra anilan'ny ray sy reny ihany koa aza anefa ny ankizy, dia matetika ny mpanampy no mikolokolo ireny zaza ireny, satria miasa ny ankamaroan'ny mpivady, ka tsy azo avela irery ireto kilonga ireto. Midika io, fa izay fanabeazana ataon'ilay mpanampy ao an-trano no hianaran'ilay zaza. Hatraiza anefa ny fari-pahaizan'ireny olona alaina hiasa an-trano ireny ?
Raha ny fanadihadiana natao tamin'ny tokan-trano vitsivitsy teto an-dRenivohitra, dia tsapa, fa ny 65% ny ankizy avy ao Ambatolampy no miasa an-trano eto sy ny manodidina. Eo amin'ny Ar15 000 ka hatramin'ny Ar 20 000 ny hakarama azy ireny. Mitaiza zaza sy manatitra mpianatra, ary mahandro sakafo no ataony amin'io karama io. Ny 20% ny ankizy miasa an-trano kosa dia avy ao Ambositra. Ny avy any Ambositra kosa, dia manodidina ny efatra alina ariary (40 000Ar) ny karaman'izy ireo. Mitovy amin'itsy ambony itsy ny asa ataony, saingy miampy fanasana lamba. Ary ny farany kosa, dia avy any Mahitsy. Lafo karama ny ao, ka aleon'ny olona manome saran-dàlana olona hafa haka mpanampy avy any amin'ireo toerana voalaza etsy ambony ireo.
Liana ahita an'Iarivo
Raha ny fanadihadiana natao ihany, dia maro amin'ireo olona avy any an-toerana lavitra ireo no maniry hiasa aty an-dRenivohitra. Ny asa an-trano no làlana afahana miakatra aty Iarivo. Miasa efa-bolana ao amin'ny fianakaviana iray anefa izy ireny, dia mivadika any amin'ny orinasa afaka haba. Manofa trano 30 000 Ar (telo alina ariary) izy ireo, izay ahitana efitra kely iray, miampy lakozia kely sy trano fivoahana hitambarana amin'ny daholo be dia efa vita ny fonenana vaovao. Tsy ho gaga isika raha maro amin'izy ireny ny olona avy any ambanivohitra no miasa amin'ireny orinasa ireny. Manambady aty izy ireo, ary miteraka. Maka olona avy any aminy indray izy ireo, hitaiza ny zanany eto, ary dia toy izay hatrany tranga miseho.
Hafa ihany i Neny
Tsy misy afa-tsy ny reny niteraka ihany no tena loharan'ny fampandrosoana ny ankohonana. Izy no nitondra folo volana ny zaza, ary mahalala ny maharary ny zanany. Ny lafiny fanabeazana io, dia miainga amin'ny fatahorana ilay nahary. Ny fahadiovan'ny zaza ihany koa dia voara-maso tsara. Ny fitiavan-dreny dia mitoetra ao anatin'ilay ankizy. Firy amin'ny tokan-trano Malagasy anefa no afaka manao izany amin'izao fianana sarotra izao ? Mila ezaka anefa ny fianakaviana amin'io sehatra iray io, satria làlana iray hitarafana ny ho avin'ny ankizy any aoriana any ny toy izany. Ny mifanohitra amin'io kosa, dia tsy ho gaga ianao, raha vao zaza vao mianatra miteny, dia efa miteniteny foana, satria izay tian'ny mpitaiza hampianarina azy no ataony. Tsy midika akory izany fa fositra ny ankizy alaina hiasa an-trano, fa maro amin'izy ireny kosa, no zara raha nandia kilasy. Midika io fa izay fahalala kely hananany no hampianariny izay olona tezainy. Ny fahombiazana tsara indrindra, dia zarina fahalalam-pomba ihany koa ny ankizy hiasa ao aminao, ary dia ho lavorary ny fianam-pianakaviana.




Asa fanaovan-gazety
« Tsy tokony afangaro amin'ny politika », hoy i Louis Bernard
Nampiteny ny moana ny zava-nisy teto Madagasikara, tao ho ao momba ny resaka asa fanaovan-gazety teto Madagasikara. Taorian'ny nanakatonana ny fahitalavitra iray teto an-dRenivohitra, dia maro no naneho ny heviny momba izany. Ny mpanao politika, ny fiaraha-monim-pirenena, ny olon-tsotra, ary ny mpanao gazety.
Raha ity farany ity no asian-teny, dia naneho ny heviny momba ny fahitany ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny depiote Louis Bernard voafidy tao amin'ny boriborin-tany faha-efatra. Tsy tokony afangaro ny asa fanaovan-gazety sy ny fanaovana politika, hoy izy. Tsy ny asa fanaovan-gazety ny hiandaniana firehana politika. Tsapan'ity olom-boafidy ity, fa sahirana ny vahoaka amin'ny fandrenesana mpanao gazety tafaroboka amin'io sehatra io. Masina sy saro-pady io asa io, ka tokony ho hay ny havaka ny fitrandrahana vaovao sy ny fampitana azy any amin'ny mpanjifa, sy ny firehana politika hiadanian'ny tena. Tsara ny milaza fa efa nitana andraikitra goavana teo amin'ity asa fanaovan-gazety ity, ingahy Louis Bernad Rakotomanga, ary matahotra ny ho avin'ny asa fanaovan-gazety raha mitohy ny fihetsiky ny mpanao gazety sasany manafangaro ireo andraikitra roa ireo.




Vaovao Tapatapany
Nodimandry omaly ny mpisolo vava Radilophe. Olona tsy vaovao amin'ny maro teo amin'ny sehatry ny lalàna, satria isan'ny mpisolo vava mpitondra ambony teto amin'ny firenena ny lehilahy. Isan'ny niaro ny amiraly Ratsiraka farany teo izy momba ny raharaha 2002. Lehilahy nianjera tamin'ny fiaramanidina DC3 teny Ivato ihany koa ny tenany, saingy tsy maty tamin'izany fotoana, na dia namoy ny ainy avokoa aza ireo niaraka taminy.
Rahampitso ny hamory ny mpikambana ao aminy ny antoko AKFM. Etsy Andravoahangy ambony no hanaovany izany, izay hifantoka amin'ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mihazakazaka ny fianam-pirenena, ary tsy ho atao tompon-trano mihono amin'izany ny mpikambana rehetra, hoy ny SG ity antoko ity Rakotomanga Erick.
Niverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra omaly. Vita tokoa ny fety, ka samy nipiripirina miandry ny faran'ny taona avokoa ny rehetra. Faly ny maro, satria tsy hita firy tamin'ny làlana teto an-dRenivohitra ny fitohanan'ny fiara toy ny talohan'ny Noely teo.
Hatreny am-balahana ny rano eny 67Ha ambadiky ny tranom-piatoahana NY HAVANA. Vokatry ny fahapotehan'ny làlana eny no mahatonga izao. Làlana efa nampitaraina ny maro hatramin'izay, saingy toa tsy misy mihaino. Mirefy eo amin'ny 2 km eo ity làlana ity, izay azo hambara fa ho afaka ny fitohanana be loatra eny an-toerana raha vita izy io.
Nangonin'i Penjy R.




Ambodiafontsy
Namono olona ny fiaran'i Lôla
Nandona tovolahy 17 taona teny Ambodiafontsy ny fiara nentin'i Lôla, mpihira malaza, omaly hariva tamin'ny efatra ora tany ho any. Maty noho izany ilay zazalahy, rehefa avy nialàna nenina teny amin'ny Urgences, Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Somebiseby avokoa ny rehetra. Na ny mpandona na ny fianakavian'ilay namoy ny ainy. Na izany aza dia nandray ny anjara tandrify azy tamin'ny fikarakarana rehetra i Lôla. Hita ho nIaky ny hanao raharaham-pihavanana izy (na règlement à l'amiable). Nefa moa ny voina tsy misy fahavoazan'olona ihany mazàna no azo anaovana izany na « accident matériel », araka ny lalàna. Ny voina misy fahavoazan'olona kosa dia miankina amin'ny andaniny sy ankilany. Ho hita eo ny tohiny.
Niahotra
Araka ny filazan'ny vavolombelona sasany dia toa « niahotra ilay tovolahy teo afovoan'ny arabe rehefa nahita ny fiara tamy ». « Sady toa hoe tsy nihemotra izy no tsy nandroso ihany koa », hany ka voafaokan'ny fiara. Ito farany moa, araka ny voalaza ihany, dia nizotra tamin'ny hafainganam- pandeha tsy voafaritra, na mafy na mora. Iny làlana iny rahateo sady mahitsy no lavalava. Efa tokony ho nampodiana tany an- tranony ny razana omaly alina, rehefa vita ny fikarakarana natao azy teny amin'ny hôpitaly.




Solika vita gasy
Mihazakazaka ny mpandraharaha vahiny hidrandraka ny harena eto Madagsikara. Tsy asiana resabe amin'izany intsony ity mitranga ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Harena tsy hita pesipesenina no ahondrana any ivelany, izay tsapa fa kely sy bitika ny mba tombontsoa tafajanona ho an'ny Malagasy. Miditra amin'ny fitrandrahana ny solika any Tsimiroro sy Bemolanga ihany koa ny vahiny ankehitriny. Voalaza fa solika 25000 litatra isan'andro aloha hatramin'izao no efa azo ao Tsimiroro iny, fa antenaina hiakatra hatrany amin'ny 100000 litatra isan'andro atsy ho atsy. Hatrany amin'ny 100 km miala ny morontsiraka ao Mahajanga any am-povoan-dranomasina any no hitrandrahana solika eto amintsika, izay efa miditra an-tsehatra ihany koa ny TOTAL amin'izany asa izany.
Solika vita gasy io, izay antenaina fa hiparitaka eto amintsika izany, ka ahafahana hampihena ny fanafarana solika any ivelany. Hidina ihany koa ny sarany eto an-toerana, ka hidina miaraka amin'io ny vidim-pianana izay efa mampikaikaika ny maro. Ny tany mpamokatra "Pétrole" hono dia saika hanjakan'ny ady an-trano, toy ny hita any ivelany. Dia ho sanatria izay tokoa ve no hitranga eto ? Iza tokoa no mahita raha izay no mampihetsika indray ny mpanohitra hikasa hanao zavatra hafa eto amin'ny fireneny ? Dia ho hita eo izany, fa ny antenain'ny rehetra, dia mba isika tompon-tany no tena ahita vokany lehibe amin'ireo harena trandrahan'ny vahiny eto, fa tsy ho sanatria ho tompony mangatak'atiny lava izao, ka ny vahiny matavy, fa isika kosa kaozatina.




Vondron'ny mpanohitra
Hanapoaka ny sarom-bilany
Heverin'ireto mpanohitra ireto ho fanomezana omena ny fitondrana ankehitriny amin'io taona ho avy io ny fanapoahana ny sarom-bilany. Ny datin'ny 13 janoary sisa handrasan'izy ireo, dia lasa izao, hoy ireo mpivory. Fantatra ihany koa fa efa misy ny komity najoron'izy ireo hanainga ny vahoaka isam-pokontany, rehefa tonga ny fotoana. Ingahy Andry Rajoelina, izay nahazo vaton'Antananarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna no lasa kankana tsy fidiny hanjonoana ny fon'ny mponina eto. Hanaiky izany ve anefa ny vahoaka ?
Toa tsy maha-taitra ny olona intsony ny fandrenesana resaka korontana ho atao eto. Iza no ahita tombontsoa ao anatin'ny firenena mikorontana ? Ny hanina ho hanina anio aza efa manahirana, hoy ny maro, ka izay olona very seza rehetra izao ve no andeha hamonoanay tena eny an-kianja.
Kianjan'ny demokrasia
Etsy Ambohijatovo no toerana noheverin'ireo mpanolon-tsainan'ny kaominina eto an-dRenivohitra ho hametrahana ilay "Kianjan'ny demokrasia". Anio no voatondro fa hametrahana ny fangatahana eny anivon'ny Préfet de Police eto an-dRenivohitra. Isan'ny nankasitraka izany ireto vondron'ny mpanohitra ireto nivory ny sabotsy teo ireto. Ny tsy voafaritra mazava kosa hatreto, dia ny hoe ho voafehin'izy ireo ve ny tendrom-po tsy mba namana mety hitranga rehefa hamory vahoaka izy ireo ? Toa miendrika fihantsiana ny fitondrana ny nametrahana izany, satria handray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana, ka eo no hiatombohan'ny korontana rehetra.
Ho potika ny toe-karena
Rehefa misy ny korontana, dia hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny fiainam-bahoaka sy ny toe-karena izany. Efa tafakatra hatrany amin'ny 7,5% ny tahan'ny harin-karena eto Madagasikara, raha niainga ambanin'ny aotra izany ny taona 2002 nisian'ireny krizy teto ireny. Maro ny ezaka natao, ary mbola be ireo tsy nahafa-po ny olona, indrindra ny resaka sosialy. Mahatsapa izany ny mpitondra, ary isan'ny nanaovana ilay jery todika tao anatin'ny loabary an-dasy farany teo izany. Miaiky ny rehetra fa ny ho tsara noho ny anio no tanjon'ny vahoaka matoa mitady isan'andro, saingy hiova amin'izany ve ny fiainany raha toa ka mitranga ny savorovoro, indrindra fa olona efa teo amin'ny fitondrana avokoa iretsy mikasa hanao fitaovana an'ingahy ben'ny tanàna iretsy ? Moa mba tsapan'ingahy ben'ny tanàna ve ny fanosehana ataon'ny mpanohitra azy ho an'ny amin'ny làlan'ny korontana ?
Hafa ny omaly sy ny anio
Hiroso tsy ho ela any amin'ny taona vaovao isika. Taona izay hitodian'ny firenena maro eran-tany aty Madagasikara. Midika izany fa hanana ny maha-izy azy eo anatrehan'izao tontolo izao isika, raha tsy hiteny afa-tsy ny resaka fizahan-tany fotsiny. Ho liana amin'ireo harena voajanahary maro be tsy fahita eran-tany ny vahiny. Tsy Ravalomanana no halaza amin'io, fa i Madagasikara iray manontolo. Hametraka fanamby isika eto Madagasikara, fa firenena hendry sy miray hina no eto, fa tsy firenena mikorontana no hitsenana vahiny. Hafa ny omaly sy ny anio. Tsara ny fanoherana, ary ilaina ny fanehoan-kevitra, saingy tsy ny korontana no amboara entina hampiakatra ny farim-piainan'ny isan-tokan-trano. Aseho ny hevitra hiarahana midinika, fa làlana iray ahafahan'ny mpitondra manitsy ny diany ny toy izany. Izay ilay fahaiza-mihaino tsara hanan'ny mpitondra, ary ny ho entina ihany koa ahay hanaja ny fifandimbiasan-toerana.




Vanja
Hivalona afaka andro vitsy ny taona. Samy mifantoka any amin'ny taona ho avy ny mason'ny olona manana aina rehetra. Izay ahadinganana ity taona 2008 ity no tanjona, satria zava-dehibe amin'ny Malagasy izany nadingana taona iray izany.
Taona hitondra inona ho an'ny vahoaka malagasy io taona hitsidika io ? Izay no mby tonga ao an-tsain'ny maro. Ny akaiky indrindra, dia ilay fepetra takian'ny mpanohitra eto amintsika momba ny hamahana ireo olana takian'izy ireo hatramin'ny 13 janoary izao. Miankina amin'ny kabarin'ny filoha Ravalomanana rahampitso hariva amin'ny 7 ora anefa ny tsy hampipoaka ny vanja any amin'ireo mpanohitra. Mpanohitra, izay tsapa fa miantehitra betsaka any amin'i Andry TGV izany lehilahy afaka maka ny fon'Antananarivo ? Manana andraikitra lehibe amin'ny mety ho tranga hiseho eto isika rehetra. Midika io fa eo ampelantanan-tsika ny fampandrosoana ny firenena, na ihany koa ny famotehana ny toe-karena. Tsy hisy firenena afaka hiadana ao anatin'ny korontana. Tsy misy olona tsy mitaky fiovana eto, nefa tsy fiovana ho any amin'ny ratsy fa hanatsara ny fiainana isan-tokan-trano. Handamina ary sa handrangitra ny mpanohitra ny lahateny ho ataon'ny filoha rahampitso ? Tsy hisy ray aman-drenin'ny firenena haniry korontana eto, saingy ny ankilany toa efa tongotra mby an-dakana, ka miandry izay hanapoahana ny vanja sisa.




Madarail
Mitohy ny fitakian'ny mpiasa
Zo sendikaly, fa tsy hetsika politika. Io no fototry ny fitakiana ataon'ireo mpiasa tao amin'ny Madarail, niala an-tsitrapo nanomboka ny taona 2003. Be ireo voalaza fa tsy mbola nahazo ny tombontsoa tokony ho azo tamin'izany, amin'isika manoratra izao.
Io no nambaran'ingahy Jakoba Andriamiharivolamena, izay isan'ny tompon'andraikitra tao amin'ity Madarail ity teo aloha. Tsy mitovy ny vola nomena ny mpiasa, na dia samy niala an-tsitrapo aza. Misy ny nomena hatrany amin'ny Ar 20 tapitrisa, ary tao kosa no zara raha nandray afa-tsy Ar 5 tapitrisa. Ny hita hoy ity nitatitra tamin'ny haino aman-jery ity, dia efa mananika ny 40 taona ny ankamaroan'ireo mpiasa ireo. Mitaky ny hijerena ny fampiharana ny CRCM ihany koa izy ireo. Ny taona 1982 no isan'ny mpiasam-panjakana ireto mpiasa ireto, nefa tsy mifaraka araky ny lalàna ny fandraisany vola. Ny latsakemboka aloa any amin'ny CNAPS ihany no noraisin'izy ireo.
Mitarazoka anefa ny fikarakarana ity CRCM ity, ka voalaza fa efa nahatratra 60 no maty tamin'ireo mpiasa, izay tsy mba nigoka ny tambin-kasasarany akory. Tsapan'ireo mpiasa fa maro ny fifanarahana tsy mandeha amin'ny tokony ho izy amin'izao fotoana. Isan'izany ireo loha-masinina efatra nafarany avy any China, nefa tsy mifanaraka amin'ny lalam-by eto Madagasikara. Misy ihany koa ny loha-masinina nampiakarina avy any Antsirabe mbola tsy vita hatramin'izao. Mitaky ny fampiharana ny fifanarahana natao tamin'ny Madarail sy ny fanjakana ireto mpiasa ireto manoloana izao fahavoazana mianjady amin'ny lalam-by malagasy izao.




FCD
Ny vahoaka no tompon'ny hetsika farany
Tsy hanongam-panjakana izahay, fa mitaky ny hampiharana ny demokrasia eto amintsika. Tsy azo ekena ihany koa ny jadona izay tadiavin'ny adian'olona apetraka eto. Io no nambaran'ny FCD, na ny herim-panovana ho amin'ny demokarsia, tarihan'ingahy Alain Ramaroson.
Nametraka ny fitsipika tokony ho hajain'ny rehetra ity FCD ity, ary nozaraina eny anivon'ny fiaraha-monina. Misy andininy hatrany amin'ny 11 no voasoratra ao, ary izay vonona ny hanaja ny zon'olombelona sy ny tena hampiarana ny demokrasia eto, dia manao sonia io avokoa. Isan'ny nahazo izany ny mpitondra fanjakana isan'ambaratonga rehetra eto. Tsy mbola nisy nanao sonia izany kosa anefa izy ireo, hoy ny filoha lefitry ny fikambananana, ingahy Rajakaoba tao amin'ny radio tsy miankina iray eto an-dRenivohitra.
Niainga tamin'ireny olona nahazo ny ben'ny tanàna teto an-dRenivohitra sy ny mpandraharaha maro ireny no antom-pisian'ity MCD ity, izay hivondronan'ny hery samy hafa eto amin'ny firenena.




Raikitra ny ady an-trano
Tsy mbola azo ny mofo mamy, dia efa raikitra ny fifanjevoana eo amin'ny mpanohitra. Samy te-ho lohany avokoa izy rehetra. Tsy takona afenina intsony io korontana ao anatin'ny samy mpanohitra io, ary tsy ho gaga isika raha toa ka samy maka ho azy hatrany izy ireo rehefa tonga ny fifidianana.
Mpanao politika fanta-daza eto amin'ny firenena no naneho ny heviny omaly, izay miara-dia ao anatin'ny mpanohitra. Andro vitsy monja izay, raha nanao fivoriana hitambara izy ireo, dia efa nailika tsy ho eo anoloana ireto karazan'olona mpitarika politika ireto. "Avelao ho an'i Andry Rajoelina no eo anoloana eo", hoy ity lehilahy iray ao anatin'ny fanoherana, ary naroso teo anoloana ihany koa ireo heverina fa mpanao politika mety ahasarika olona hono. Ilaina miseho tele ireo, ka isika aleo aty afara.
Teo no nisian'ilay fifandirana teo amin'ny samy mpanohitra. Velona ny fifampitsikerana, ka nipoitra hatramin'ny teny nambaran'ingahy Lahiniriko Jean, tamin'ny 17 desambra 2005 raha nanao hetsika teo amin'ny kianjan'ny 13 mai ny mpanohitra, ary nisy mpanao politika voadaroka sy voasambotra. Ingahy filohan'ny Antenimieram-pirenena kosa, tao an-dapa dia nilaza tamin'izay fa "tsy eny an-kianja no hanaovana ady hevitra fa ato anaty lapa no kianjan'ny demokrasia". "Ny mifanohitra amin'izay anefa no ataon'ireto namanay ireto amin'izao", hoy ity mpanao politika nanambara ny alahelony ity.
Omaly hariva, dia nivory tetsy amin'ny hotely Soimanga Manakambahiny ireto mpanohitra ireto, ary saika tsy tazana tao ireto mpanohitra mihevitra fa tafiditry ny mpitady seza ny fitakiana izay atao. Raikitra sahady ny ady an-trano nefa ny fitakiana mbola tsy nisy nivaly. Tsapa izao, fa misy andian'olona mijapy TGV ao, ary manosika ity farany hivoaka ny làlam-by tokony hizorany.
Miandry ny tohiny isika, na ho tody amin'ny gara hitodiany ny lamasinina, na hivarina any anaty hantsana.




Mpiasam-panjakana
Ho tafiditra amin'ny vovo politika ve ?
Asa na fifandrifian-javatra, na efa tetika nokotrehina ela, fa milaza hanao ny fitakiana ihany koa ny mpiasam-panjakana amin'ny taona ho avy io. Fitakiana ara-tsosialy, araky ny nambaran'izy ireo. Ny alatsinainy teo no nisy andiana mpiasa nivory izay nametraka ny fijoroan'ny komity miaro ny tombontsoan'ny mpiasam-panjakana.
Aoka apetraka amin'ny toerana sahaza azy ny mpiasam-panjakana, ary atao mifanahatsahana amin'ny zava-misy ankehitriny ireo tombontsoa omena ny mpiasa. Voalaza fa ny taona 2003, dia nangataka ny hampiakarana hatrany amin'ny dimy alina ariary ny tambiny amin'ny trano fonenana ny mpiasam-panjakana. Taona 2008 isika izao, mbola tsy mihoatra ny efatra arivo sy iray alina no omena ireto mpiasa ireto. Aiza intsony no hisy hofan-trano mifanahaka amin'io voasoratra etsy ambony io. Iray hetsy ny vola ho hangatahana manomboka izao, hoy ireto mpiasa nitarika fivoriana ny alatsinainy lasa teo ireto. Toy izany koa ny momba ny fisotroan-dronono. Rehefa mahavita 30 taona miakatra, dia afaka mandeha miala sasatra, fa tsy hiandrasana 62 taona vao omena ny vola fisotroan-dronono. 12 volana aorian'ny handehanan'ny mpiasa misotro ronono dia tokony efa omena azy izany vola izany. Ampahany amin'ny fitakiana ho ataon'ireto mpiasa amin'ny taona ho avy ireto ireo voalaza ireo.
Ny mampiheritreritra ny maro, dia fantatra, fa io taona ho avy io no hanaovan'ny mpanohitra ny hetsika eto amin'ny firenena. Misy hifandraisiany ve izao ho ataon'ny mpiasam-panjakana izao, sa tsia ? Ho hita eo ny tohiny, fa ny fitakiana tombontsoa hiara-manana, hoy ny mpiasa hafa, fa ny hanongam-panjakana tsy lasa.




Depiote Jules Andriamaholison
Tsy azo atao sorona ny toe-karena
Ampy izay. Tsy hanaiky ho atao fitaovan'ny mpanao politika hitadiavana toerana intsony ny mponina eto Iarivo. Ny fampandrosoana izao no maika, fa tsy ny hidirana indray ao anatin'ny ady saritaka izay tsy nahitana tombontsoa hatramin'izay. Io no nambaran'ny depiote Jules Andriamaholison, izay voafidy teto amin'ny boriborintany voalohany.
Manomboka miarin-doha izao ny toe-karena. Samy mahatsapa izany isika rehetra. Mitodika aty Madagasikara, ny mason'izao tontolo izao, satria handray ilay fivoriana in-droa miantoana isika ato ho ato. Tsy endrika ratsy no aseho izao tontolo izao, fa vahoaka hendry sy milamina ary liam-pandrosoana. Izay no handraisanay fepetra hentitra amin'ny fanazavana ny saim-bahoaka amin'ny tsy ho fanekena ny vahoaka ho atao fitaovana politika toy ny hita hatramin'izay. Manana andraikitra lehibe amin'ny fiarovana ity tanàna ity izahay olom-boafidy eto.
Momba ny filazana fa hanangana "kianjan'ny demokrasia" ny mpanohitra, dia nanambara ihany ity depiote ity, fa misy ny demokarsia eto, satria maro be ireo haino aman-jery ahafahan'ny olom-pirenena maneho ny heviny eto. Ny mihoam-pefy kosa, dia misy lalàna mamaritra izany eto. Fanehoan-kevitra tsy misy toy ny tamin'ny 17 desambra lasa teo, saingy nahoana no tsy sahy niady hevitra ireto olona milaza fa voatampim-bava ireto. Tsotra ny tanjon'izy ireo, hoy ingahy dokotera Jules, fa miroborobo ny toe-karena eto, ka misy te-hanapotika indray io, satria very tombontsoa ireo mpanohitra ireo.

